Sihanaka: Bible, Unlocked Literal Bible for 1 Corinthians, 1 John, 1 Peter, 1 Thessalonians, 1 Timothy, 2 Corinthians, 2 Peter, 2 Thessalonians, 2 Timothy, Acts, Amos, Ecclesiastes, Ephesians, Ezra, Galatians, Hebrews, James, Joel, Jonah, Jude, Luke, Mark, Matthew, Micah, Philemon, Philippians, Proverbs, Psalms, Revelation, Romans, Song of Solomon, Titus, Zechariah

Formatted for Translators

©2022 Wycliffe Associates
Released under a Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Bible Text: The English Unlocked Literal Bible (ULB)
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English Unlocked Literal Bible is based on the unfoldingWord® Literal Text, CC BY-SA 4.0. The original work of the unfoldingWord® Literal Text is available at https://unfoldingword.bible/ult/.
The ULB is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Notes: English ULB Translation Notes
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English ULB Translation Notes is based on the unfoldingWord translationNotes, under CC BY-SA 4.0. The original unfoldingWord work is available at https://unfoldingword.bible/utn.
The ULB Notes is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Below is a human-readable summary of (and not a substitute for) the license.
You are free to:
The licensor cannot revoke these freedoms as long as you follow the license terms.
Under the following conditions:
Notices:
You do not have to comply with the license for elements of the material in the public domain or where your use is permitted by an applicable exception or limitation.
No warranties are given. The license may not give you all of the permissions necessary for your intended use. For example, other rights such as publicity, privacy, or moral rights may limit how you use the material.

Ezra

Chapter 1

1Tamy taona vôlôny nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, de nagnantanteraka ny teniny ze notaravin'ny vavan'i Jeremia, ary nagnentana ny fagnan'i Kyrosy i Yaveh. Niparitaka nagnerana ny fanjakany manontolo ny feon'i Kyrosy. Zao no vôsoratra sy vôlaza: 2"Kyrosy, mpanjakan'i Persia, de milaza hoe; Yaveh, Andriamanitry ny lagnitra, no nagnome anà ny fanajakana daôly am'tany, ary nanendry anà hagnorina tragno akaigny Jerosalema aigny Joda ho an'Azy.3Na iza na iza avy am' vahôkany (homba an'azy anie ny Andriamaniny) de afaka miakatra akaigny Jerosalema ary hagnorina tragno ho an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely, le Andriamanitra akaigny Jerosalema. 4Ny ôlà ze agnatin'ny fanjakana ze honenan'reo sisa velona akao am' zany tany zany de tokony hagnome an'njareo volafotsy sy volamena, fanagnana sy biby, ary fagnati-tsitrapo ho an'ny tragnon'Andriamanitra akaigny Jerosalema."5Avekeo nitsangana ny lôn'reo razamben'reo fianakavem-ben'i Joda sy Benjamina, reo mpisorogna sy Levita, ary ze daôly nentanin'Andriamanitra ny fagnany mba hande sy hagnorina ny tragnony. 6Reo nagnodidigna an'njareo de nagnampy an'njareo tamin'ny asa tamin'ny alalan'ny volamena sy volafotsy, fanagnana, biby, zava-tsoa, ary fagnati-tsitrapo.7Navôkan'i Kyrosy mpanjaka ihany kô reo ra takao an-dragnon'i Yaveh ze nentin'i Nebokadnezara avy takaigny Jerosalema ary napetragny takao am' tragnon'reo andriamaniny manokana. 8Napetrak'i Kyrosy takeo an-tagnan'i Mitredata mpitahiry vola, ze nagnisa an'reo ho an'i Sesbazara, mpitarika an'i Joda izany.9Reto no isan'reo: koveta volamena telopolo, koveta volafotsy arivo, koveta hafa sivy ambirôpolo, 10vile jobo volamena telopolo, vile jobo volafotsy folo sy efajato, ary ra hafa arivo fagnampiny. 11Nisy fanaka efajato sy dimy arivo volamena sy volafotsy raha atambatra. Nentin'i Sesbazara reo daôly reo rafa niainga avy taigny Babylona nankaigny Jerosalema reo sesitany.

Chapter 2

1Reto avy reo ôlà takaigny am' faritany ze niakatra avy tam' fambabôn'i Nebokadnezara mpanjaka, ze nagnano sesitany an'njareo takaigny Babylona, reo ôlà ze niverigna takaigny am'tanànan-jareo isanisany avy akaigny Jerosalema sy akaigny Joda.2 Tonga niaraka tam' Zerobabela, Josoa, Nehemia, Seraia, Relaia, Mordekay, Bilsana, Mispara, Bigvay, Rehoma ary Bana zareo. Reto no lisitr'reo ôlon'vahôkan'Israely.3Reo taranak'i Parosy de roa amby fitopolo amby zato sy roarivo.4 Reo taranak'i Sefatita de: roa amby fitopolo sy telonjato. 5Reo taranak'i Ara de: dimy amby fitopolo sy fitonjato. 6Reo taranak'i Pahatamoaba, avy tam' Josoa sy Joaba de: roambefolo sy valonjato sy roarivo.7Reo taranak'i Eliama de: efatra amby dimampolo sy rônjato sy arivo. 8Reo taranak'i Zato de: dimy amby efapolo sy sivinjato. 9Reo taranak'i Zakay de: enimpolo sy fitonjato. 10Reo taranak'i Bany de: roa amby efapolo sy eninjato.11Reo taranak'i Bebay de: telo amby rôpolo sy eninjato. 12Reo taranak'i Azgada de: roa amby rôpolo sy rônjato sy arivo.13 Reo taranak'i Adonikama de: enina amby enimpolo sy eninjato. 14Reo taranak'i Bigvay de: enina amby dimampolo sy roarivo.15Reo taranak'i Adina de: efatra amby dimampolo sy efajato. 16Reo ôlan'i Atera, avy tam' Hezekia de: valo amby sivifolo. 17Reo taranak'i Bezay de: telo amby rôpolo sy telonjato. 18Reo taranak'i Jora de: roambefolo amby zato.19Reo ôlan'i Hasoma de: telo amby rôpolo sy rônjato.20 Reo ôlan'i Gibara de: dimy amby sivifolo. 21Reo ôlan'i Betlehema de: telo amby rôpolo amby zato. 22Reo ôlan'i Netofa de: enina amby dimampolo.23Reo ôlan'i Anatota de: valo amby rôpolo amby zato.24 Reo ôlan'i Azmaveta de: roa amby efapolo.25 Reo ôlan'i Kiriat-Arima, Kefira ary Berota de: telo amby efapolo sy fitonjato.26 Reo ôlan'i Rama sy Gaba de: raika amby rôpolo sy eninjato.27Reo ôlan'i Mikmasy de: roa amby rôpolo amby zato.28 Reo ôlan'i Betela sy Ay de: telo amby rôpolo sy rônjato.29 Reo ôlan'i Nebo de: roa amby dimampolo.30 Reo ôlan'i Magbisy de: enina amby dimampolo amby zato.31Reo ôlan'i Elama hafa de: efatra amby dimampolo sy rônjato sy arivo.32 Reo ôlan'i Harima de: rôpolo sy telonjato. 33Reo ôlan'i Loda, Hadida, ary Ono de: dimy amby rôpolo sy fitonjato.34Reo ôlan'i Jeriko de: dimy amby efapolo sy telonjato. 35Reo ôlan'i Sena de: telopolo sy eninjato sy teloarivo.36Reo mpisorogna: reo taranak'i Jedaia avy amin'ny ankohonan'i Jesoa de: telo amby fitopolo sy sivinjato.37 Reo taranak'Imera de: roa amby dimampolo sy arivo.38 Reo taranak'i Pasora de: fito amby efapolo sy rônjato sy arivo. 39Reo taranak'i Harima de: fito amby folo sy arivo.40Reo Levita: reo taranak'i Jesoa sy Kadmiela, reo taranak'i Hodavia de: efatra amby fitopolo.41 Reo mpihira akao an-tempoly, taranak'i Asafa de: valo amby rôpolo amby zato. 42Reo taranak'reo mpiambina vavahady: reo taranak'i Saloma, Atera, Talmona, Akoba, Hatita, ary Sobay de: sivy amby telopolo amby zato ny fitambarany.43Reo ze nitandremana mba hanompo akao am' Tempoly de: reo taranak'i Ziha, Hasofa, Tabaota, 44Kesora, Siaha, Padona, 45Lebana, Hagabaha, Akoba, 46Hakaba, Salmay, ary Hanana.47Reo taranak'i Gidela de: Gahara, Reaia, 48Rezina, Nekoda, Gazama,49 Oza, Pasea, Besaia, 50Asna, Meonita ary Nefisita.51Reo taranak'i Bakboka: Hakofa, Harora, 52Bazlota, Mehida, Harsa, 53Barkosa, Sisera, Tema, 54Nezia, ary Hatifa.55Reo taranak'reo mponompon'i Solomona de: reo taranak'i Sotahy, Sofereta, Peroda, 56Jala, Darkona, Gidela,57 Sefatia, Hatila, Pokereta-Hazebaima, ary i Amy.58 Roa amby sivifolo sy telonjato ny ny fitambaran' taranak'reo ze notendrena hanompo akao am' tempoly sy reo taranak'reo mpanompon'i Solomona.59Reo ze nandaosa an'i Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba, Adana, ary Imera -- nefa tsy afaka ny hagnamarina an'reo razambenjareo avy amin'Israely60 -- de agnisan'zany reo taranaka roa amby dimampolo sy eninjato an'i Delaia, Tobia, ary Nekoda.61Avy am' taranak'reo mpisorogna ihany kô de: reo taranak'i Habaia, Hakoza, Barzilay (ze nialaka vady ny zanaka vavin'i Barzilay avy akaigny Gileada ary nantsovina tamin'ny agnaranjareo). 62Nikaraka ny rakitry ny tetiarany zareo, nefa tsy nahita an'zany, ka de voaroaka ho sahala ny maloto tam'fisorognana zareo.63 Koa nambaran'ny Governora taminjareo fa tsy mahazo mihinana am'reo sorigna masina zareo mandra-pagneken'ny mpisorogna raika ze mitondra ny Orima sy Tomima.64Ny fitambaran'ny vondrogna manontolo de miisa enimpolo sy telonjato sy roarivo sy efatralina, 65tsy agnatin'zany reo mpanomponjareo sy ny zazaveivavinjareo (reo de miisa fito amby telopolo sy telonjato sy fitoarivo) ary reo leilà sy veivavy mpihiran' tempolinjareo (Niisa rônjato).66Ny sôvalinjareo de: enina amby telopolo sy fitonjato. Ny ampondranjareo de: dimy amby efapolo sy rônjato. 67Ny ramevanjareo de: dimy amby telopolo sy efajato. Ary ny borikinjareo de: rôpolo sy fitonjato sy eninarivo.68Rafa nande takaigny am'tragnon'i Yaveh takaigny Jerosalema zareo, de nanolotra fagnomezana an-tsitrapo an'reo leiben'ny patriarka mba hagnorenana an'le tragno. 69Nagnome araka ny fahafahany am' petra-bolan'ny asa zareo: darika volemana arivo sy eninalina, mane volafotsy dimy arivo, ary akanjo fisorognana zato.70Ka reo mpisorona sy reo Levita , ny vahôka, reo mpihiran'ny tempoly sy reo mpiambina vavahady, ary reo ze notendrena hanompo ny tempoly de nonina takao am'reo tanànany. Ny ôlà daôly takao Israely de takao am'reo tanànany avokoa.
Chapter 3

1Tam'volana fahafito rafa avy niverigna taigny an-tanànany avy ny vahôkan'Israely, no nengonanjareo ho raika taigny Jarosalema. 2Niainga ka nanangana ny alitaran'ny Andriamanitr' Israely i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka sy reo mpisorogna rahalàny; ary Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, mbar'reo rahalàny mba hanolotra fanatitra dorôna araka ny voadidy akao am' lalàn'Mosesy, le leilàn'Andriamanitra.3De napetrak'zareo takeo am' fitôrany le alitara, fa nagnenjika an'azy reo ny horohoro nohon'ny amin'ny ôlon'le tany. Nagnolotra fagnatitra dorôna ho an'i Yaveh vao mangiran-dratsy sy tamin'ny hariva zareo. 4Nitandrina ny Firavoravôn'ny Fialofana ihany kô zareo araka ny vôsoratra ary nanolotra fanatitra dorôna isan'andro isan'andro araka ny didy, araka ny andraikitra isan'andro avy. 5Arak'zany, de nisy fagnatitra dorôna andavanandro sy isam-bolana ary fagnatitra ho an'reo firavoravôn'i Yaveh efa vôtondro daôly, mbarak'reo fagnati-tsitrapo daôly.Nanomboka nanolotra fagnatitra dorôna ho an'i Yaveh zareo ny andro vôlôny tam'volana fahafito, na de mbôla tsy voaisy fototra aza ny tempoly. ka de namenjareo volafotsy avy reo mpagnano vato sy reo mpagnano tao-zavatra, ary namenjareo hahanina sy zava-pisotro ary menaka ny vahôkan'i Sidoma sy Tiro, de nitondra kakazo sedera taigny an-dranomasina avy aigny Libanona ka hatraigny Jopa zareo, araka ny nagnomezan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia alalana zareo.8Ary tam' volana faharoa tam' taona faharoa tafaran'ny nandehananjareo takao an-dragnon'Andriamanitra takao Jerosalema, no nanomboka niasa i Zerobabela, i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka, reo mpisorogna sisa, reo Levita, ary reo ze tonga avy taigny am' fahababoana niverigna taigny Jerosalema. Nanendry an'reo Levita rôpolo taona noho miakatra zareo mba hagnara-maso ny asan'ny tragnon'i Yaveh.9 Napetrak'i Jesoa mba hagnara-maso ny ôlà magnano ny asa fananganana ny tragnon'Andriamanitra reo zanagny lahy sy reo rahalàny, i Kadmiela sy reo zanagny, ary reo taranak'i Joda. Niaraka taminjareo ihany kô reo taranak'i Henadada, ny taranagny, ary reo Levita namany.10Nametraka fototra ho an'ny Tempolin'i Yaveh reo mpagnorina. Nahafahan'reo mpisorogna nitsangana nagnano an'reo akanjony miaraka am' trompetra izany, ary nahafahan'reo Levita, reo zanaka lahin'i Asafa, nidera an'i Yaveh tam' kipantsona, araka ny nandidian'ny tagnan'i Davida, mpanjakan' Israely. 11Nihira fiderana sy fisaorana ho an'i Yaveh zareo hoe: "Tsara Izy! Maharitra mandrakizay ny fagnekeny mahatoky amin'Israely." Nihorakoraka mafy tamin'ny hikam-pifalena ho fideràna an'i Yaveh ny vahôka daôly fa vôpetraka ny fototra iorenan'ny Tempoly.12Nefa maro tam'reo mpisorogna, Levita, lohan'ny patriarka, ary reo zokiôlà ze nahita ny tragno vôlôny no nitomagny mafy, rafa vôpetraka teo agnolônan'ny masonjareo zany fototra iorenan'zany tragno zany. Fa betsaka no nihika fifalena tam-piravoravôna ary tam'feo mangitakitaka. 13Vokatr'zany, tsy afaka nagnavaka ny feo falifaly sy ravoravo tam'reo feon'ôlà nitomagny ny vahôka, satria nihika mafy tam'fifalena leibe ny ôlà, ary regny avy alavitra tokô le feo.
Chapter 4

1Ary reo sanagny tam' fahavalon'Joda sy Benjamina de nandregny fa ny vahôka ze natao sesitany de manangana Tempoly ho an'i Yaveh, le Andriamanitr'Israely am'zao. 2Ka nagnantona an'Zerobabela sy reo lôn'ny fokon'razambe zareo. Ozy zareo taminjareo hoe: "Avilao zahay hagnorina hiaraka aminareo, fa satria, mikaraka ny Andriamanitrareo, sala an'nareo zahay, ary nagnano sorogna ho an'Azy hatramin'ny andro nitondràn'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, an'nay taketo am'ty tôrana ty."3Fa Zerobabela, Jesoa , ary reo lohan'ny fokon'razambenjareo nagnano hoe: "Tsy anareo, fa izahay no tsy maintsy magnorina ny tragnon'ny Andriamanitray, satria zahay no hagnorina ho an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely, araka ze nandidian'i Kyrosy mpanjakan'i Persia."4Ka nataon'reo vahôkan'ny tany nalemy ny tagnan'reo Jodiana; nataonjareo natàtra ny hagnorina reo Jodiana. 5Nolangolangonjareo ihany kô ny mpanolotsaigna mba hahafoana ny tetik'izy reo. Nandritra ny andron'i Kyrosy daôly sy tam'fanjakan'i Dariosy mpanjakan'i Persia zareo no nagnano an'zany. 6Ary tam'fendohan'fanjakan'i Ahasoerosy de nanoratra fiampangana an'reo mponin'i Joda sy Jerosalema zareo.7Nandritra ny andron'i Ahasoerosy no nanoratan'i Bilsama, Mitredata, Tabela, ary reo namany ho an'i Ahasoerosy. Nosoratana tamin'ny Aramaika ny taratasy ary nadika. 8Rehoma mpifehy sy i Simsay mpanora-dalàna de nanoratra momban'Jerosalema ho an'i Artaksersesy.9Avekeo i Rehoma, Simsay, ary reo naman-jareo, ze mpitsara sy manamboninàtra hafa tam' Governemanta, avy aigny Ereka, Babylona, ary Sosa avy aigny Elama de nanoratra taratasy -- 10mbarak'reo vahôka ze noteren'i Asnapara leibe sy manan-kaja hagnorim-ponenana takaigny Samaria, niaraka tam'reo sisa ze takaigny am'Faritany Andafin'ny Ogny.11Ty de dika mitovy am'le lahatsoratra nalefa takaigny amin'i Artaksersesy: " Reo mpanomponao, ôlà avy am' Faritany Andafin'ny Ogny, no manoratra an'zao:12 Ôka ny mpanjaka hahafantatra fa reo Jiosy ze avy taigny aminao de tonga hanotra an'nay aty Jerosalema mba hagnorina tanàna mpikomy. Zare de nanampina ny manda ary nagnambôtra ny fototra.13Ary ôka ny mpanjaka hahafantatra fa raha vôorina zany tanàna zany ary vôtampina ny manda, de tsy hagnome haba sy hetra zareo, fa hagnisy ratsy an'reo mpanjaka.14Tegna zany tokô satria nihinana tam'siran'ny lapa zahay, ka tsy manjary aminay ny fahafaham-baraka hibôgna am'mpanjaka. Noho zany no hampahafantaranay ny mpanjaka 15 mba hikaraka ny firaketana an-tsoratry ny rainao ary hagnamarina fa tanàna mpamadika ze hagnisy ratsy ny mpanjaka sy reo faritany io. Nahatonga olagna maro ho an'i mpanjaka sy reo faritany zany. Foiben'ny fikomina hatrignela izy io. Noho zany antony zany no naharava an'le tanàna. 16Mampahafantatra ny mpanjaka fa raha vôorina io tanàna sy manda io, de tsisy na ino na ino ho tavela ho an'nao akao am'Faritany Andafin'ny Ogny.17Ka nandefa valinteny taigny am' Rehoma sy Simsay ary reo namany takao Samaria sy reo ambiny ze takao am'Faritany Andafin'ny Ogny ny mpanjaka hoe: "Fiadanana anie ho an'nareo. 18Ny taratasy ze nalefanareo ho anà de efa vôdika ary novakina taminà. 19Ka nampagnano fagnadihadihana za ary nahafantatra fa tamin'ny andro talô de efa nikomy nanotra an'reo mpanjaka zareo.20Reo mpanjaka mahery de nanapaka takeo am'Jerosalema ary nanagna fahefana tam' ra daôly takao am'Faritra Andafin'ny Ogny. Nalô tam'njareo ny haba sy reo hetra. 21Am'zao, magnanôva lalàna ho an'reo leilà reo mba hampijanona sy tsy hagnorenana an'io tanàna io zareo mandra-pagnanôvako lalàna. 22Mitandrema mba tsy hagnano an-tsirambina an'zany. Nagnino zany fandrahognana zany no avela hitombo ka ho fatiantoka fahaverezana maro ho an'ny tombon-tsoan'ny fanjakana?23Rafa novakina takeo hamason'i Rehoma, Simsay, ary reo namany, ny lalàn'i Artarkersesy Mpanjaka, de nivôka an'i Jerosalema malaky zareo ary nanery an'reo Jiosy mba hampijanona ny fagnorenana. 24Ka nijanona ny asa fagnanôvana ny tranon'Andriamanitra takao Jerosalema mandra-pahatongan'ny taona faharôn'ny fanjakan'i Dariosy mpanjakan'i Persia.
Chapter 5

1Ary Hagay mpaminagny sy Zakaria zanaka lahin'Ido mpaminagny de naminagny tamin'ny agnaran'Andriamanitr'Israely tam'reo Jiosy takao Joda sy Jerosalema.2 Nitsangana Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela sy Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka ary nanomboka nagnambôtra ny tranon'Andriamanitra takao Jerosalema niaraka tam'reo mpaminagny ze nampahery an'azy reo.3Avy akeo i Tatenay governoran'ny Faritra takaigny Andafin'ny Ogny, Setara Bozenay, ary reo mpiara-de amin'azy de tonga ary nitare taminjareo hoe: "Iza no nandidy an'nareo hagnambôtra an'io tragno io sy hamita an'reo manda reo?" 4Ozy ihany kô zareo hoe: "Iza avy no agnaran'reo leilà nagnambôtra an'io tragno io? 5Fa ny mason'Andriamanitra de takeo am'reo loholona Jiosy ary tsy nanakana an'azy reo fahavalon-jareo. Nandigny taratasy ho lasana aigny am'mpanjaka sy lalàna hiverigna amin-jareo mahakasika an'zany zareo.6Ty no dika mitovy am'le taratasin'i Tatenay, goveroran'ny Faritany taigny Andafin'ny Ogny, ze nalefan-jareo ho an'i Dariosy mpanjaka. 7Nagandefa tatitra zareo, nanoratra an'zao ho an'i Dariosy mpanjaka hoe: "Ho an'nao anie ny fiadanana daôly.8Ôka ho fantatry ny mpanjaka fa zahay de nakaigny Joda ho aigny am'tragnon'Andriamanitra leibe. Zany de haorina am'reo vato geda sy kakazo matevina apetraka am'reo manda. Efa atao tsara mihitsy ny asa ary mandroso tsara akeo am-pelatanan-jareo. 9Nagnontany an'reo loholona zahay hoe: 'Iza no nagnome an'nareo lalàna hagnambôtra an'io tragno io sy reo manda reo?' 10Nagnontany ny agnaran-jareo ihany kô zahay mba hahafantaranao ny agnaran'ny leilà isanisany avy ze nitarika an'azy reo.11Namaly zareo ary nagnano hoe: 'Zahay de mpanompon'le Ray ze Andriamanitry ny lagnitra sy ny tany, ary zahay de mamerina manangana ny tragno ze namboarina taona maro taigny alô rafa nagnorina an'zany ny mpanjaka leiben'Israely ary nahavita an'zany.12Na zany aza, rafa nampahasosy an'le Andriamanitry ny lagnitra ny razambenay, de natolony takeo am-pelatagnan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona zareo, ze nandrava an'io tragno io ary niaka ny ôlà ho sesitany takaigny Babylona. 13Kanefa, tam'taona vôlôny naha-mpanjakan'i Babylona an'i Kyrosy, de namôka didy hagnamboarana ny tragnon'Andriamanitra ndre i Kyrosy.14Naverign'i Kyrosy mpanjaka ihany kô reo ra volamena sy volafotsy takao an-tragnon'Andriamanitra ze nentin'i Nebokadnezara avy takao am'tempoly takao Jerosalema ho aigny am'tempoly takao Babylona. Reo de naverigny tam'Sesabazara, ze nataony ho governora. 15Ozy izy tam'nazy hoe: "Raiso reo ra reo. Mandihana ary hapitrao akao am'tempoly akao Jerosalema reo. Ôka ny tragnon'Andriamanitra ho hatsangana aigny."16Ary tonga io Sesbazara io ka nametraka ny fototry ny tragnon'Andriamanitra takao Jerosalema; ary namboarina izany, fa tsy mbôla vita tanteraka.'17Ary raha sitraky ny mpanjaka, de ôka ho zahana akao am'tragno firaketana akao Babylona raha misy didy hagnamboarana an'le tragnon'Andriamanitra akao Jerosalema avy tam'Kyrosy mpanjaka akao. De ôka ny mpanjaka hagnandefa ny fanapaha-keviny aminay.
Chapter 6

1Ary nampagnano fagnadihadihana takao am'tragno firaketana takao Babylona i Dariosy Mpanjaka. 2Takao am'tanàna voaaron'i Akmeta akao Mediana no nahitana horognan-taratasy raika; zao no vôsoratra takao:3"Tam'taona vôlôny nanjakan'i Kyrosy Mpanjaka, de namôka didy momba ny tragnon'Andriamanitra takao Jerosalema i Kyrosy hoe: 'Ôka hatsangana ndre ny tragno mba ho tôran'ny sorogna, ôka hapetraka ny fototra iorenany, ôka ho enimpolo hakiho ny hambosany, ary enimpolo hakiho ny sakany, 4miaraka am'vato geda telo an-dalana sy kakazo vaovao raika an-dalana, ary ôka ny vidiny halô am'tragnon'ny mpanjaka. 5Ary ento miverigna ny fitaovana volamena sy volafotsy ze an'ny tragnon'Andriamanitra, ze nentin'i Nebokadnezara avy taigny am'tempoly aigny Jerosalema nakaigny Babylona ary aviregno akao am'tempoly aigny Jerosalema. Anao no hametraka an'reo ao an-dragnon'Andriamanitra.'6Ary Tatenay, governoran'ny Faritra Andafin'ny Ogny, Setara Bozenay, ary reo mpiara-miasa ze aigny am'Faritra Andafin'ny Ogny, miataha lavitra! 7Avilao ny asa am'ty tragno ty ho an'Andriamanitra rerika fôgna. Ny governora sy reo loholona Jiosy no hanangana an'ty tragnon'Andriamanitra ty am'zany tôrana zany.8Mandidy ny tsy maintsy hagnanôvanareo an'zao ho an'reo loholona Jiosy ze manangana an'zao tragnon'Andriamanitra zao za: Ny vola avy amin'ny hetran'ny mpanjaka avy aigny andafin'ny Ogny no hampiasaina hagnakaramana an'reo leilà reo mba tsy hagnajanonanjareo ny asany. 9Na ino na ino ilaina -- zanak'aomby, ondry lahy, na zanak'ondry ho an'ny fagnatitra dorôna ho an'ny Andriamanitry ny Lagnitra, vary, sira, divay, na diloilo araka ny didin'reo mpisorogna akao Jerosalema -- de ameo an-njareo isan'andro tsy tapaka reo ra reo. 10Atôvo zany mba hitondranjareo ny fagnatitra ho an'ny Andriamanitry ny Lagnitra ka hivavaka ho anà, mpanjaka, sy reo zanako.11Ary mandidy za fa na iza na iza mandika io lalàna io, de tsy maintsy hangalàna andry raika akeo am'tragnony ary tsy maintsy hahantogna am'zany izy. Ary tsy maintsy ho lasana fako mivangongo noho zany ny tragnony. 12Ary Andriamanitra ze nahatonga ny agnarany hitoetra takeo anie handringana ze mpanjaka na ôlà ze manandra-tagnana hagnova an'zany lalàna zany, na handratra an'zany tragnon'Andriamanitra akao Jerosalema zany. Za, Dariosy, no mandidy izany. Ôka hatao am-pahazotona izany!"13Ary nohon'ny lalàna nalefan'i Dariosy mpanjaka, i Tatenay , le Governoran'ny Faritra Andafin'ny Ogny, sy Setara Bozenay sy reo mpiara-miasa amin'azy, de nagnano ze daôly nandidian'i Dariosy Mpanjaka. 14Ka de nanangana araka ze natoron'i Hagay sy Zakaria tam'faminaniana an'reo loholona Jiosy. Natsanganan-jareo araka ny didin'ny Andriamanitr'Israely sy Kyrosy, Dariosy, ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia zany.15 De vita ny tragno tamin'ny andro fahatelon'ny volana Adara, tam'taona fahenina nanjakan'i Dariosy Mpanjaka.16Nankalaza ny fanokanana an'zany tragnon'Andriamanitra zany tam'fifalena ny vahôka Israelita, reo mpisorogna, reo Levita, ary reo sisa tam'reo babo. 17Nanolotra aomby zato, ondry lahy zato, ary zanaka ondry efajato ho an'ny fanokanana ny tragnon'Andriamanitra zareo. Osy lahy roa ambefolo ihany kô no natolotra ho fagnatitra noho ny ota ho an'Israely daôly, raika isaka foko taigny raely. 18Nanendry an'reo mpisorogna sy Levita tam'fizaràn'asa ho an'ny fanompôna an'Andriamanitra akao Jerosalema ihany kô zareo, araka ny vôsoratra takao am'Bokin'i Mosesy.19Ary reo ze avy taigny an-tsesitany de nankalaza ny Paska tamin'ny andro fahefatra ambefolon'ny volana vôlôny. 20Reo mpisorogna sy reo Levita daôly de nagnadio ny tegnany ary namono ny sorogn'ny Paska ho an'reo ze avy taigny ana-tsesitany daôly, agnisan'zany zareo.21Ny vahôka Israelita ze nihinana tamin'ny henan'ny Paska de reo ze niverigna avy takaigny an-tsesitany sy nagnasaraka ny tegnany tamin'ny fahaloton'ny vahôkan'ny tany ary nikaraka an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. 22Nankalaza tam'fifalena ny Firavoravoan'ny Mofo tsisy lalivay nandritry ny fito andro zareo, satria i Yaveh de efa nitondra fifalena tamin-jareo ary nagnova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria mba hampatanjaka ny tagnanjareo tamin'ny asan'ny tragnony, de le tragnon'Andriamanitr'Israely.
Chapter 7

1Ary tafaran'zany, nandritry ny nanjakan'i Artaksersesy mpanjakan'i Persia, de niakatra avy takaigny Babylona i Ezra. Reo razamben'i Ezra de i Seraia, Azaria, Hilklay, 2Saloma, Zadoka, Ahitoba 3Amaria, Azaria, Meraiota, 4Zerahia, Ozy, Boky, 5Abisoa, Finehasa, Eleazara, ze zanaka lahin'i Arona mpisorognabe.6Niakatra avy takaigny Babylona i Ezra ary izy de mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'i Mosesy, ze efa namen'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. Nameny mpanjaka an'azy ze daôly nangatany satria notahin'ny tagnan'i Yaveh izy. 7Ny sasagny tam'reo taranak'Israely sy reo mpisorogna, Levita, mpihiran'ny tempoly, mpiambina vavahady, ary ze notendrena hagnompo takao an-tempoly de niakatra takaigny Jerosalema ihany kô tam'taona fahafito ambefolo nanjakan'i Artaksersesy Mpanjaka.8De tonga taigny Jerosalema tam'volana fahadimy tamin'io taona io ihany izy. 9Niala takao Babylona tamin'ny andro vôlôn'ny volana vôlôny izy. Tamin'ny andro vôlôn'ny volana fahadimy no nahatongavany taigny Jerosalema, satria nomban'ny tagna-maherin'Andriamanitra izy.10 I Ezra de nametraka ny fony mba hianatra, hagnatanteraka, ary hampianatra an'reo fitsipika sy reo didin'ny lalàn'i Yaveh.11Zao no didy ze namen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorogna sy mpanora-dalànan'ny didy aman-dalàn'i Yaveh ho an'Israely: 12"Artaksersesy Mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorogna, mpanora-dalàn'ny lalàn'Andriamanitry ny lagnitra. 13Za de mandidy fa ny ôlà daôly avy akaigny Israely akao am'fanjakako miaraka am'reo mpisorogna sy reo Levitan-jareo ze magniry ny andeha ho aigny Jerosalema, de afaka miaraka aminao.14Za, mpanjaka, sy reo mpanolo-tsaignako fito, de magniraka an'nareo daôly mba hagnontany mahakasika an'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitra, ze akeo an-tagnanao. 15Tsy maintsy entinareo ny volafotsy sy ny volamena ze efa natolotr'zareo tan-kalalahana tamin'Andriamanitr'Israely, ze aigny Jerosalema ny tanànany. 16Ameo an-kalalahana ny volafotsy sy ny volamena daôly ze namen'ny Babylona daôly niaraka tam'ze efa natolotry ny vahôka sy reo mpisorogna an-kalalahana ho an'ny tragnon'Andriamanitra aigny Jerosalema.17Ka mividiana aomby, ondry lahy sy zanak'ondry ary fagnatitra hohanina sy fagnatitra sotrona betsakabe. Atoloro akeo amin'ny Alitara ze ao am'tragnon'ny Andriamanitrao aigny Jerosalema reo. 18Reo ambina volafotsy sy volamena de agnanôvo ze hitanao fa tsara ho an'nao sy reo rahalànao, mba hampifaly ny Andrimanitrao.19Apitrao akeo agnatrehany ho an'ny asa fagnompoana akao am'tragnon'Andriamanitrao aigny Jerosalema reo ra ze namena anao tan-kalalahana. 20Ze ra hafa daôly ilaina ho an'ny tragnon'Andriamanitrao takenao, de alao akao am'fitahirizan-drakitro ny vidin'zany.21Za, Artaksersesy Mpanjaka, de magnano didy ho an'reo mpitahiry vola aigny am'Faritany Andafin'ny Ogny, fa ny ra daôly ze angatahin'i Ezra aminao de tokony hamena daôly, hatram'talenta volafotsy zato, vary zato kora, divay zato bata, ary diloilo zato bata, 22ary kô sira tsisy fetranay. 23Ze ra daôly avy am'didin'ny Andriamanitry ny Lagnitra, de atôvo miaraka am'fanolorantegna ho an'ny tragnony zany. Fa nagnino ny fahasoseny no ho tonga akeo am'fanjakako sy reo zanako lahy?24Ampahafantarinay an'azy reo ny mahakasika an'nao ze tsy hitaky haba na hetra am'reo mpisorogna daôly, reo Levita, reo mpitendry ra-magneno, reo mpiambina vavahady, na akeo am'vahôka notendrena ho amin'ny asan'ny tempoly ary reo mpanompon'ny tragnon'zany Andriamanitra zany.25Ry Ezra, am'fahendrena ze efa namen'Andriamanitra an'nao, de manendre mpitsara sy ôlà lalin-tsaigna hanompo an'reo vahôka daôly aigny am'Faritany Andafin'ny Ogny, ary hanompo ny ôlà ze mahafantatra ny lalàn'Andriamanitrao. Mampenara an'reo ze tsy mahalala sy lalàna ihany kô. 26Sazio ny ôlà ze tsy manatoa tanteraka ny lalàn'Andriamanitra na ny lalàn'ny mpanjaka, na amin'ny alalan'ny fahafatesana, fa fandroasana, fagnagiazana ny fanagnanjareo, na fanagadrana.27Miderà an'i Yaveh, Andriamanitry ny razantsika, ze nametraka an'zany daôly zany takao am-pon'ny mpanjaka mba hagnomezam-boninàtra ny tragnon'i Yaveh aigny Jerosalema, 28ary ze nagnome ny fagnikena mahatoky taminà takeo agnatrehan'ny mpanjaka, reo mpanolo-tsaignany, ary reo manam-pahefany mahery daôly. Efa nampatanjahana tamin'ny alalan'ny tagnan'i Yaveh Andriamanitro za, ary nanangona mpitarika avy tamin'Israely mba hiaraka aminà.
Chapter 8

1Reto avy reo mpitarika ny fianakaven'razambenjareo ze niala an'i Babylona niaraka taminà nandritra ny fanjakan'i Artaksersesy. 2Am'taranak'i Finehasa, de i Gersona. Am'taranak'i Itamara, de i Daniela. Am'taranak'i Davida, de i Hatosy,3ze avy am'taranak'i Sekania, ze avy am'taranak'i Parosy; ary Zakaria, ary nisy leilà dimampolo amby zato vôtanisa takao am'rakitry ny tetriarany niaraka tam'nazy.4Am'taranak'i Pahata-moaba, de Elihoenay zanaka lahin'i Zerahia ary niaraka tam'nazy de nisy rôjato lahy. 5Am'taranak'i Sekania, de Beni-Jahaziela ary niaraka tam'nazy nisy telonjato lahy. 6Am'taranak'i Adina, de Ebeda zanaka lahin'i Jonatana ary niaraka tam'nazy nisy dimampolo lahy vôtanisa. 7Am'taranak'i Elama, de Jesaia zanaka lahin'i Atalia ary niaraka tam'nazy nisy fitopolo lahy vôtanisa.8Am'taranak'i Sefatia, de Zebadia zanaka lahin'i Mikaela ary niaraka tam'nazy nisy valopolo lahy vôtanisa. 9Am'taranak'i Joaba, de Obadia zanaka lahin'i Jehiela ary niaraka tam'nazy nisy valo amby folo sy rônjato lahy vôtanisa. 10Am'taranak'i Selomita zanak'i Josifia de nisy enimpolo amby zato lahy vôtanisa niaraka tam'nazy. 11Am'taranak'i Bebay, de Zakaria zanaka lahin'i Bebay ary nisy valo amby rôpolo lahy vôtanisa niaraka tam'nazy.12Am'taranak'i Azgada, de Johanana zanaka lahin'i Hakatana ary nisy folo amby zato lahy vôtanisa niaraka tam'nazy. Reo ze avy am'taranak'i Adonikama no tonga taty afara. 13Reto avy ny agnaranjareo: Elifeleta, Jeiela, Semaia, ary niaraka taminjareo nisy enimpolo lahy. 14Am'taranak'i Bigvay, de Otahy sy Zaboda ary nisy fitopolo lahy vôtanisa niaraka tam'nazy.15Nangoniko reo mpandeha takao am'lakan-drano ze mankaigny Ahava, ary nitoby telo andro takeo zahay. Nagnadihady ny vahôka sy reo mpisorogna za, nefa tsy nahita taranak'i Levy takao mihitsy. 16De nampagnantso an'i Eliezera, Ariela, Semaia, Elnatana, Jariba, sy Elnatana sy Natana, Zakaria, ary Mesolama -- ze mpitarika -- ary an'i Joariba sy Elnatana -- ze mpampianatra za.17Magnaraka an'zany de niarahiko ho aigny amin'Ido, mpitarika aigny Kasifia zareo. Nambarako an'njareo ze ho lazaina amin'Ido sy reo havany, reo mpanompon'ny tempoly mipetraka akaigny Kasifia, de ny, mba handefasana mpanompo ho an'ny tragnon'Andriamanitra ho aty aminay.18De nagnandefa leilà raika antsovina hoe Serebia, leilà malina taminay tam' tagna-maherin'Andriamanitray zareo. Izy de taranak'i Maly zanaka lahin'i Levy zanak'Israely. 19Tonga niaraka tamin'ny zanaka lahy sy rahalàny valo amby folo izy. Tonga niaraka tam'nazy i Hasabia. Nisy an'i Jesaia, raika am'reo zanaka lahin'i Merary, niaraka tam'reo rahalàny sy ny zanaka lahinjareo ihany kô zareo, rôpolo lahy ny fitambarany. 20Am'reo ze notendrena hanompo akao am'tempoly, ze namen'i Davia sy reo manam-boninahiny mba hanompo an'reo Levita de: rôpolo sy rônjato, samy notendrena tamin'ny agnarany avy.21De nagnambara fifaden-kanina takao am'lakan-drano Ahava za mba hagnetry ny tegnanay akeo agnatrehan'Andriamanitra, mba hikaraka lalana mahitsy avy Am'nazy ho an'nay, ny zaza madinikay, ary reo fanagnanay daôly. 22Megnatra ny hangataka tafika na mpitikin-tsôvaly tam'mpanjaka mba hiaro an'nay am'reo fahavalo teny an-dalana za, satria efa niteny tam'mpanjaka zahay hoe: 'Ny tagnan'Andriamanitray de akeo am'daôly ze mikaraka an'Azy am'tsara, fa ny heriny sy ny hasoseny de akeo am'daôly ze tsy mahatsiaro an'Azy.' 23Ka nifady hahanina sy nitady an'Andriamanitra momba an'zan zahay, ary nengavy tamin'Azy.24Magnaraka an'zany de nifantina leilà rombefolo tam'reo manam-boninàtran'ny fisoronagna za: Serebia, Hasabia, ary folo tam'ralànjareo. 25Nandaja volafotsy sy volamena, ary ra sy fagnatitra ho a'ny tragnon'Andriamanitra ze natolotry ny mpanjaka, reo mpanolo-tsaignany sy reo manam-boninahiny, sy reo ze natolotry ny Israely daôly maimaim-pôgna ho an'njareo za.26De nandanja talenta volafotsy dimampolo sy eninjato, talenta ra volafotsy zato, talenta volamena zato, 27vile volamena rôpolo ze nisanda darika arivo, ary fanaka varagna rôy nangirana tsara ze sarobidy ôtra ny volamena takeo am-pelatananjareo za.28De ozy za taminjareo hoe: " Natokana ho an'i Yaveh anareo, ary reto ra reto ihany kô, sy ny volafotsy ary ny volamena de fagnati-tsitrapo ho an'i Yaveh, Andriamanitry ny razambenareo. 29Embeso reo ary tandremo mandra-pandanjanareo an'zany akeo agnatregan'ny manam-boninahitry ny fisoronagna, Levita, ary reo mpitarika ny fokon-drazan'Israely aigny Jerosalema akao am'reo efitry ny tragnon'Andriamanitra." 30Nagneky ny volafotsy, volamena, sy reo ra vôlanja reo mpisorogna sy reo Levita mba hitondrana an'zany akaigny Jerosalema, akao an-dragnon'ny Andriamanitray.31Nivôka avy takao am'Lakan-dranon'i Ahava zahay tamin'ny andro faharoambe-folon'ny volana vôlôny mba handeha ho aigny Jerosalema. Takeo aminay ny tagnan'ny Andriamanitray; niaro an'nay tam'tagnan'ny fahavalo sy reo ôlà ze nagniry ny hanafika an'nay tampoka taigny an-dalana Izy. 32De niditra takaigny Jerosalema zahay ary nanangana takao nandritra ny telo andro.33Ary tamin'ny andro fahefatra de nolanjaina takao an-dragnon'Andriamanitray takeo an-tagnan'i Meremota zanaka lahin'i Oria mpisorogna ny volafotsy, volamena, sy reo ra, ary niaraka tam'nazy Eleazara zanaka lahin'i Finehasa, Jozabada zanaka lahin'i Jesoa, ary Noadia zanaka lahin'i Binoy le Levita. 34Vôfaritra ny isa sy ny lanjan'ny ra daôly. Nosoratana avokoa ny lanjan'ny ra daôly tam'zany fotôna zany.35Reo ôlà ze niverigna avy am'fahababôna, ny ôlà vôsesitany, de nanolotra fagnatitra dorôna ho an'le Andriamanitr'Israely: aomby roambefolo ho an'Israely daôly, ondry lahy enina amby sivifolo, zanak'ondry fito amby fitopolo, ary osy lahy roambefolo ho fagnatitra noho ny fôtana. Fagnatitra dorôna ho an'i Yaveh reo daôly reo. 36De namenjareo ho an'reo manam-boninahitry ny mpanjaka ambony sy reo governora taigny am'Faritra Andafin'ny Ogny ny lalàn'ny mpanjaka, ary nagnampy ny vahôka sy ny tragnon'Andriamanitra zareo.
Chapter 9

1Rafa vita reo ra reo, de nagnatogna anà reo manam-pahefana ary nagnano hoe: "Ny vahôkan'Israely, reo mpisorogna, ary reo Levita de tsy nagnasaraka ny tegnanjareo tam'reo ôlà avy aigny an-tany hafa sy ny fahavetavetany: de reo Kananita, Hitita, Perizita, Jebosita, Amonita, Moabita, Egyptiana ary Amorita. 2Fa nalainjareo ny sasagny tam'reo zanagny vavy sy zanagny lahy, ary nafangaronjareo tam'vahiny ny vahôka masina, ary reo manam-pahefana sy reo mpitarika no vôlôny tam'zany tsy fahatokina zany."3Rafa nandregny an'zany za, de nandrovitra ny fitafeko sy ny akanjo lavako ka nagnongotra ny volon-dôko sy ny volom-bavako, ary nentòtra sady dombodombo. 4Reo daôly ze nangorohoro tam'tenin'Andriamanitr'Israely mahakasika an'zany tsy fahatokina zany de niandroka takeo aminà raha igny nipetraka tamin-kegnatra hatram'fagnatitra hariva igny za.5Fa tam'fagnatitra hariva de niarina avy tam'tôran'ny fahafaham-barakako tam'fitafeko sy ny akanjo lavako rovitra za, ka nandohalika ary namelatra ny tagnako ho amin'i Yaveh Andriamanitro. 6Ozy za hoe: "Andriamanitro ô, megnatra sy mangasihasy ny hanandratra ny tarehiko akeo Aminao za, fa miakatra mihôtra ny lônay ny helokay, ary ny fahamelohanay mihombo hatraigny an-dagnitra.7Nanomboka tamin'ny andron'ny razambenay mandrak'ty gniany de takao agnaty fahamelohana leibe zahay. Takao agnatin'ny helokay zahay, reo mpanjakanay, sy reo mpisorognay no natolotra ho akeo an-tagnan'reo mpanjakan'ity zao tontolo zao ity, ho akeo am'sabatra, ho akeo am'fahababôna, ho akeo am'babo sy ny tarehy mangahiahy, ôtra an'nay gniany.8Am'zao anefa takao agnaty fotôna foika, de tonga taminay ny indrafo avy amin'i Yaveh Andriamanitray mba hamela sisa velona akeo aminay ka hagnome an'nay fifikirana akeo am'fitôrany masina. An'ny Andriamanitray ny magnazava ny masonay sy magnome fijanonana kely am'fagnandivozana an'nay. 9Fa andevo zahay, nefa tsy nagnadino an'nay ny Andriamanitray fa nampitombo ny fagnikena mahatoky taminay. Nagnano an'zany takeo amason'ny mpanjakan'i Persia Izy mba hagnome hery vao ho an'nay, mba hafahanay magnorina ny tragnon'ny Andriamanitray ndre ka hanangana ny faharavany. Nagnano an'zany Izy mba hagnomezany manda fiarôvana ho an'nay akao Joda sy Jerosalema.10Fa am'zao kosa, ry Andriamanitray, ino no azonay lazaina afaran'zao? Tsy nahatsiaro an'reo didinao zahay, 11de ny didy ze namenao an'reo mpaminagny mpanomponao, rafa niteny Anao hoe: "Ity tany ze hidiranareo ty de tany maloto. Vôloton'ny ôlon'ity tany ty tam'ra mamôfady ataonjareo. Nofenonjareo ny fahalotonjareo hatraigny amin'ny ilany raika ka hatraigny amin'ny hafa zany. 12Am'zao ary, aza amena ny zanak'reo lahy ny zanakareo vavy; aza miaka ny zanak'reo vavy ho an'ny zanakareo lahy, ary aza mikaraka fihavanana sy fanampena aminjareo, mba hatanjaka anareo, ary hihinana ny tsara avy am'tany, ka hahatonga ny zanakareo ho tompon'zany am'fotôna daôly."13Kanefa tafaran'ny ra daôly ze nahazo an'nay noho ny asa ratsinay sy ny fahadisônay gedabe -- satria Anao, Andriamanitray de mitana ze mendrika ny kelokay ka namela an'nay ho velona -- 14tokony handika an'reo didinao ndre ma zahay ka hifanambady am'reo vahôka vetaveta reo? Tsy ho sosy ma Anao ka handringana an'nay mba tsy hisy ho tavela, tsy hisy na de raika ho tafilefa?15Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, marina Anao, fa vitsy zahay no sisa velona am'zao gniany zao. Ndreto zahay aketo agnatrehanao am'fahamelohanay, fa tsisy afaka hijoro eo agnatrehanao noho ny am'zany.
Chapter 10

1Raha mbôla nivavaka sy niaiky heloka i Ezra, de nitomagny izy ary nenkoka takeo agnolôn'ny tragnon'Andriamanitra. Leilà Israelita, zaza amam-beivavy betsakabe no nitangorogna taminazy, fa nitomagny mafy de mafy reo ôlà reo. 2Hoy i Sekania zanaka lahin'i Jehiela taranak'i Elama tamin'i Ezra hoe: "Efa tsy nahatoky tamin'Andriamanitra zahay ary nanambady an'reo veivavy hafa firenena avy tam'vahôkan'reo tany hafa. Kanefa na de akeo aza zany, de mbôla misy fagnantenana ho an'Israely.3Ka ôka zahay hagnano fifagnikena amin'ny Andriamanitray mba handrôka an'reo veivavy sy reo zanagny arak'reo toromariky ny Tompo sy ny toromarik'reo ze nihorohoro tam'reo didin'ny Andriamanitsika, ary ôka zany ho tanteraka araka ny lalàna. 4Mitsangàna, fa zany ra zany de hotanterahinao, ary zahay de miaraka aminao. Mahereza ary atôvo zany."5Ka nitsangana i Ezra ary nasainy nampagnantegna reo manam-boninahitry ny fisorognana, reo Levita, ary ny Israely daôly mba hagnano ôtran'zany. Ka de nagnano fianianana magnetriketrika izy daôly. 6Avy teo nitsangana avy takeo agnolônan'ny tragnon'Andriamanitra i Ezra ary nande takao amin'ny efitr'i Johanana zanaka lahin'i Eliasiba. Tsy mba nihinana mofo na nisotro rano izy, satria nisaona ny hakelin'ny finoan'reo ze efa takao am'fahababôna izy.7Ka nandefa teny taigny Joda sy Jerosalema ho an'reo ôlà niverigna avy taigny an-tsesitany zareo mba hivory akao Jerosalema. 8Ze daôly tsy tonga takao agnatin'ny telo andro arak'reo toromarika avy am'reo manam-pahefana sy loholona de nalàna taminjareo ny fanagnanjareo daôly ary nalàna tsy ho akao am'fikambanam-benjareo ze niverigna avy takaigny an-tsesitany.9Ka nivory takao Jerosalema nandritra ny telo andro ny leilà avy aigny Joda sy Benjamina daôly. Zany de tam'volana fahasivy ary tamin'ny andro faharôpolon'ny volana. Nitsangana takeo am'kianja malalaka nagnolôna ny tragnon'Andriamanitra ny ôlà daôly ary nangovitra noho le teny sy le orana. 10Nitsangana i Ezra mpisorogna ary niteny hoe: "Efa namadika anareo. Nanambady an'reo veivavy hafa firenena anareo ary nampitombo ny helok'Israely.11Fa am'zao de miderà an'i Yaveh, Andriamanitr'reo razambenareo, ary atôvo ny sitrapony. Misaraha amin'ôlà tômpon-tany sy am'reo veivavy hafa firenena."12Namaly tam'feo mafy be ny vondrogna daôly hoe: "Hagnano araka ze nolazainao zahay. 13Na zany aza, betsaka ny ôlà, ary vanim-potônan'ny orana zao. Tsy managna hery hitsangana aty avelagny zahay, ary zany de tsy asa raika na ro andro fôgna, satria efa nagnano heloka gedabe tam'zany raharaha zany zahay.14Ka ôka ny mpanapakay hisolo-tegna ny fiangonana daôly. Ôka ze namela an'reo veivavy avy am'firenena hafa hipetraka am'tanànantsika ho tonga am'fotôna ze ho tondroina miaraka am'reo loholon'ny tanàna sy reo mpitsara akao am'tanàna mandra-pialan'ny fisafôkan'ny hasosen'ny Andriamanitsika amintsika." 15Nanoitra an'zany i Jonatana zanaka lahin'ny Asahela sy Jahaza zanaka lahin'i Tikva, ary nanôgna an'azy reo i Mesolama sy Sabetahy Levita.16Ka nagnano an'zany reo ôlà niverigna avy taigny an-tsesitany. Ezra mpisorogna de nifidy an'reo leilà, reo mpitarika takao am'reo foko sy fenakaven'reo razambenjareo -- tamin'ny agnaran'izy daôly, ary nandinika ny raharaha tamin'ny andro vôlôny tam'fahafolon'ny volana zareo. 17Tamin'ny andro vôlôny tam'volana vôlôny de nahavita namantatra ze leilà niara-nipetraka tam'veivavy hafa firenena zareo.18Nisy tam'reo taranak'reo mpisorogna no nanambady veivavy hafa firenena. Tam'taranak'i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka sy reo rahalàny de nisy an'i Mahaseia, Eliezera, Jariba, sy Gedalia. 19Ka de tapa-kevitra ny handrôka an'reo vadiny zareo. Satria meloka zareo, de nanolotra ondry lahy tam'reo ondriny zareo noho ny helok'zareo.20Tam'reo taranak'i Imera de: i Hanany sy Zebadia. 21Tam'reo taranak'i Harima: i Mahaseia, Elia, Semaia, Jehiela, ary Ozia. 22Tam'reo taranak'i Pasora: i Elioenay, Mahaseia Ismaela, Netanela, Jozabada, ary Elasa.23Tam'reo Levita de: i Jozabada, Simey, kelaia -- zay, Kelita, Petahia, Joda. Tam'reo mpihira: i Eliasiba. 24Tam'reo mpiandry vavahady de: i Saloma, Talema, ary Ory. 25Tam'reo Israelita sisa -- tam'reo taranak'i Parosa de: i Ramia, Jizia, Malkia, Miamina, Eleazara, Malkia, ary Benaia. (Fagnamarihina: Raha tokony ho "Malkia" le niverigna fagnindrôny, de sanagny tam'reo dikan-teny vaovao manolo an'zany ho "Hasabia".)26Tam'reo taranak'i Elama de: i Matania, Zakaria, Jehiela, Abdia, Jeremota, ary i Elia. 27Tam'reo taranak'i Zato de: i Elioenay, Eliasiba, Matania, Jeremota, Zabada, ary Aziza. 28Tam'reo taranak'i Bebay de: i Johanana, Hanania, Zabay,ary Atlay. 29Tam'reo taranak'i Bany de: i Mesolama, Maloka, Adaia, Jasoba, ary Seala Jeremota. (Fagnamarihina: Raha tokony ho "Bany" de ny sanagny am'reo dikan-teny vaovao magnano an'azy ho "Bigvay".)30Tam'taranak'i Pahata Moaba de: i Adna, Kelala, Benaia, Mahaseia, Matania, Bezaiela, Binoy, ary Manase. 31Tam'taranak'i Harima de: i Eliezera, Jisia, Malkia, Semaia, Simeona, 32Benjamina, Maloka, arya Semaria.33Tam'taranak'i Hasoma de: i Matenay, Matata, Zabada, Elifeleta, Jeremay, Manase, ary Simey. 34Tam'taranak'i Bany de: i Maday, Amrama, Oela, 35Benaia, Bedeia, Keloho, 36Vania, Meremota, Eliasiba,37Matania, Matenay, ary Jasao. 38Tam'taranak'i Binoy de: i Simey, (Fagnamarihina: Raha tokony ho "Tam'taranak'i Binoy: i Semey" de ny sanagny am'reo dikan-teny vaovao magnano hoe "Bany, Binoy, Simey") 39Selemia, Natana, Adaia, 40Maknadebay, Sasay,Saray, (Fagnamarihina: Raha tokony ho "Maknadebay", de ny sanagny am'reo dikan-teny vaovao magnano hoe "Tam'taranak'i Zakay")41Azarela, Selemia, Semaria, 42Saloma, Amaria, ary i Josefa. 43Tam'taranak'i Nebo de: i Jeiela, Matitia, Zabada, Zebina, Ido, Joela, ary Benaia. 44Reo daôly reo de nanambady veivavy hafa firenena ary nana-janaka tam'sanagny taminjareo. (Fagnamarihina: Raha tokony ho "nanan-janaka tam'sanagny taminjareo" de ny sanagny am'reo dikan-teny vaovao magnano hoe: "Nefa nandrôka an'njareo niaraka tam'zanak'zareo".)

Psalms

Chapter 1

1Sambatra ny ôla ze tsy magnaraka ny toro hevitr'reo ratsy fagna, na mitsangana am'lalana miaraka am'reo mpagnota, na mipetraka akao am'fengonan'ny mpagneso. 2Fa am'Yaveh no sitragny, ary ny lalànany no saintsaigniny andro amagn'alina.3Ho salan'ny kakazo nambolena takeo ankeky rano mande ze mamokatra vôny am' fotônany izy, tsy malazo ravina, ze daôly ataony de ambinina.4Tsy mba ôtran'zany kosa ny ratsy fagna,fa salan'ny akofa ze ndesin-drivotra.5 Ka de tsy hitsangana akeo am'fitsarana n'y ratsy fagna, n'a ireto mpagnota ho akeo am'fengonan'ny marina.6Fa Yaveh de magneky ny lalan'ny ôla marina, Fa ny lalan'ny ratsy fagna kosa de ho levona.

Chapter 2

1Nagnino reo no anao agnaty korotagna, Ary nagnino n'y ôla no magnano teti-dratsy ze tsy hahomby?2 Miara-tsngana reo mpanjakan'ny tany Ary miara-mikomy manoitra an'i Yaveh sy ny Mesiany reo mpanapaka, managno hoe: 3"Ôka tsika hamiravira an'areo tady vy ze napetrak'zareo tamintsika ary hanipy an'areo tadivy."4Izy ze mipetraka akaigny an-dagnitra homme an'njareo; hagneso an'njareo n'y Tompo. 5Avy akeo an'njareo am'fahasosony izy ary hampihorohoro an'njareo am'fahavignirany, magnano hoe:6Za tegnako mihitsy no efa nagnosotra ny mpanjakako takao Ziona, tendrimbohitra marina." 7Hagnambara lalànan'i Yaveh raika za. Ozy Izy taminà: " Zanako anao! Am'zao andro Zao de Tonga rainao Za."8Mangatà aminà, de hameko an'nao ho lovanao reo firenena ary ho fagnanao reo faritra alavitra ndrindra am'tany.9 Ho vakinao am'tehim-by, salan'ny siny tany zareo, hamotipotika an'njareo anao."10Ka am'zao, ry mpanjaka, mitandrema; magnikesa ahitsy; anao ry mpanapaky ny tany. 11Miderà an'i Yaveh am'fahatahôrana ary mifale aminà hitakitaka.12Orohy ny zanaka, ndrao ho sosy aminao izy, Ka ho foaty an-dalana anao rafa misafôntagna mandritra ny fotôna foika ny hasoseny. Sambatra ze daoly mikaraka fialonana akao amin'Azy.
Chapter 3

1Salamo nataon'i Davida, refa nilefa an'i Absaloma zanagny lahy izy. Yaveh ô, firy reo fahavaloko! Betsaka no nitsangana nanohitra ahy. 2 Betsaka no milaza ny momba anà hoe: " Tsisy famonjena ho an'azy zany avy amin'Andriamanitra. Sela.3Fa anao, ry Yaveh, no ampinga magnodidigna anà, voninahitro, Ary le mpampitraka lôko. 4Za manandra-peo am'Yaveh, Ary mamaly anà avy aigny an'tendrombohitrany masina Izy. Sela5Nandry za ka natory, nofô za, satria Yaveh niaro anà. 6Tsy hafatra ny fahabetsahan'ny ôla ze milahatra magnodidina hanohitra ahy.7Mitsangána, ry Yaveh! vonjeo za, ry Andriamanitro! Fa namely an'areo daôly akeo am'tôlam-bazagny Anao; hamotika ny nifinjareo ratsy fagna Anao. 8Avy am'Yaveh ny famonjena. Ho amin'ny ôlanao anie reo fitahianao. Sela
Chapter 4

1Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahina am'lokanga. Salamo nataon'i Davida. Valio za rafa magnantso, ry Andriamanitry ny fahamarinako; ameo efi-tsagno za rafa misy ra mahatery. Mamindrà fo aminà Ary tandrigneso ny vavaka ataoko.2Ra ôla, mandra-pahovena ianareo no hagnova ny voninahitrako ho fahafaham-baraka? Mandra-pahovena anareo no hitè ze ratsy sy hagnaraka ny lainga? Sela.3 Nefa faharo fa Yaveh magnavaka ize araka an'Andriamainitra ho an'Azy. Haregny Yaveh za rafa miantso an'Azy.4Mangovita am'tahotra, Fa aza magnota! Saintsaigno akao am-ponareo akeo am-pandrena ary ôka hangigna. Sela 5Atolory reo sorogn'ny fahamarinana ary apetraho am'Yaveh fahatokianao.6Maro ny mitare hoe:" Iza no mba hagnatoro aminay ra tsara? Yaveh ô, asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao.7 Anao no efa nagnome ny foko hafalena mandombolombon'ny an'ny hafa mitobaka ny varinjareo sy ny divainy vaovao.8 Amin'fiadanana no handreko hatoreko, satria Anao raika, ry Yaveh, no mahatonga anà hitôtra tsy manana ahiahy.
Chapter 5

1Ho an'ny mpivity hita; amperahana am'ra-magneno tsofina. Salamo nataon'i Davida. Tandrineso ny antsoko Aminao, ry Yaveh; hevero reo sentoko. 2Henò za magnantso, ry Mpanjakako sy Andriamanitra, Fa Aminao za no mivavaka. 3Yaveh ô maheno ny fitaraignako Anao amin'ny ampolakeka; mitondra ny fiangaveko Aminao za amin'ny ampolakeka ary mandigny Sady magnantegna.4Andriamanitra tsy tè ratsy tokô Anao; tsy mba ho vahininao reo ôlan-dratsy.5 Ny mpiavognavogna de tsy hitsangana akeo agnatrehanao; mankahala ze magnana fitondrantegna ratsy Anao. 6Hamotika an'areo mpandainga Anao; Yaveh mankahala ny ôla miherisetra sy mamitaka.8Fa faha za kosa, noho ny hagedan'ny famindramponao de ho avy an-dragnonao za, amim-pagnajana no hiankohofako magnolôna ny tempolinao masina. 7Tompo ô, Tarito am'fahamasinanao za noho reo fahavaloko; ampahitsio akeo agnolôlako ny lalanao.9Fa Tsisy fahamasinana akao ambavanjareo; ratsy ny akao agnatiny,fasagna misokatra ny tendanjareo; malefaka zareo am'lelany. 10Ambarao ho meloka zareo. Andriamanitra ô; ôka ho fahalavôny ze teti-dratsy ataonjareo! Avoaho zareo nohon'ny fandikan-dalànany maro, satria nikomy taminao11Fa ôka hifaly daôly ze mialoka Aminao. Ôka Zareo hihorakora-pifalena hatraigny satria Anao miaro an'njareo; Ary ôka hifaly Aminao zareo, de reo ze tè ny agnaranao. 12Fa hitaha ny marina Anao, ry Yaveh; fahitam-pitè no ataona magnodidigna an'njareo salan'ny ampinga gedabe
Chapter 6Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahana am'lokanga atao am'fomba Al-shasheminith. Salamo nataon'ni Davida.

1 Ry Yaveh, aza mibedy anà am'fahasosenao na nagnafay anà am'fahavigniranao. 2Mamindrà fo aminà, Yaveh ô, Fa osa za; sitragno za, Yaveh ô, Fa mangitakitaka ny tôlako.3Ory de ory ihany kô ny fagnako. Kanefa Anao, Yaveh ô - maharitra hafirena no hitohizan'zany? 4Miveregna, Yaveh! Ka vonjeo za. Vonjeo nohon'ny famindramponao za! 5Fa akaigny am'fahafatesana Tsisy fahatsarôvana an'Anao. Iza no hagnome fisaoran an'Anao akaigny am'fiaignan-tsy hita?6Reraky sentoko za. Kotsan-dranomaso n'y fandrenako mandritra ny alina; manasa n'y fandrenako am'ranomasoko za.7 Jambany alahelo ny masoko; manjary tsy manan-kery zareo noho reo fahavalon' daôly.8Mialà, aminà, an'areo mpanagno ratsy daôly; fa Yaveh efa haregny ny feon'ny fitomagneko. 9Efa naregny ny fagnantsovako ho an'ny famindrampo Yaveh; Efa nandray ny fivavako Yaveh. 10Ho megnatra sy hikorontagna tanteraka ny fahavaloko daôly. Hitodika zareo ka ho megnatra tampoka.
Chapter 7

1Mozika noforonin'i Davida, ze nohirainy ho an'j Yaveh mahakasika an'reo tenin'i Kosa Benjamina. Ry Yaveh Andriamanitra, mialoka Aminao za! Afaho am' ze magnenjika anà za, Ary vonjeo.2 faha tsy zany, hoviravirainjareo ôtran'ny liona za, rovidrovitiny ary tsisy ôla afaka hiaro anà.3Yaveh Andriamanitra ô, mbola tsy nagnano ze nolazain'reo fahavaloko ho nataoko zany mihitsy zà; tsisy tsy fahamarinana akeo am'tagnako. 4Tsy mbôla nagnano ratsy tamin'ôla tsara fihavanana taminà za, na nagnano ratsy ze nanohitra anà am'tsisy varany.5Faha tsy milaza ny marina za de ôka ny fahavaloko hagnenika aignako ary hisambotra an'zany; ôka izy hagnitsakitsaka velona n'y tegnako am'tany ary hagnambela anà mandry am'vovoka am'kegnatra. Sela6Itsangàna, Yaveh ô, am'fahasosenao; mitsangàna magnolona n'y fahasosen'ireo fahavaloko; mifohaza noho ny aminà Ka tanteraho ny didy marina ze efa nandidinao an'njareo. 7Aoka hiangona magnodidigna Anao reo firenena; alao akeo aminjareo ndre ny fitôranao marina akeo am'njareo reo.I8Ry Yaveh ô, tsarao reo firenena; hamarino za, ry Yaveh, satria marina sy tsy manan-tsigny za, ry Avo indrindra. 9Ôka hifaragna ny asa ratsin'ny ratsy fagna. Fa ampitoero ny ôlo-marina, ry Andriamanitra marina, Anao ze mandinika ny fo sy ny saigna.10Avy amin'Andriamanitra ny ampingako, le tokana ze mamonjy ny mahitsy am-po. 11Mpitsara marina Andriamanitra, Andriamanitra ze sosy isan'andro.12Faha tsy mibebaka ny ôla raika, de handragnitra ny sabany Andriamanitra Ary hagnomagna ny tsipikany ho amin'ny ady.13 Magnomagna ny fampesàna an'areo fitaovam-pedena hanoherana an'azy Izy; ataovy miredareda reo zana-tsipika an'azy vôlambolambo.14Saigno ny momba an'ze bevoka am'faratsena, magnano rerika handravana, ze miteraka lainga hampidi-doza. 15Mandavaka lavaka izy ary magnalalaka an'zany ka latsaka akao am'lavaka ze nataony izy.16 Miverigna an-dôny ihany reo fikasany handratra, satria ny herisetrany de mibagna akao an-dôny ihany.17Hisaotra an'i Yaveh noho ny fahamarinany za; hihira fideran ho an'i Yaveh Avo indrindra za.
Chapter 8

1Ho an'ny mpiventy hiry, atao am'fomba Al-hagith. Salamo nataon'i Davida. Yaveh Andriamanitray ô, endrey n'y hatsaran'ny agna-ranao magnerana ny tany daôly. Anao ze mampiseho ny voninahitranao akaigny am'lagnitra agnambo. 2Avy am'vavan' ny zazakely sy ny zaza mandinika no efa namoronanao fiderana noho reo mpifagnandrina Aminao, mba hampangignany ny fahavalo sy ny mpamaly faty.3Faha mendrandra aigny am'lagnitra za, ze nataon'ny rantsan-tagnanao, ny volana sy reo kintana, ze ampetrakao am'fitôrany,4 ino ma ôla ahatsarôvana an'azy, na ny olombelona no hirarahinao an'azy reo? 5Kanefa nataonao ambany Kely noho reo ra managn'aigna akaigny an-dagnitra zareo ary nampisatrônao voninahitra sy haja.6Anao magnano an'azy ho mpanapaka amin'reo asan-tagnanao; Anao efa nagnano ny ra daôly ho akeo ambany tongony: 7de ondry aman'osy sy ny aomby, ary ze biby daôly am'saha, 8ny vorona agn'habakabaka, sy ny laokan-dranomasina, ny ra daôly magnaraka ny rekan-dranomasina.Ry Yaveh Tomponay, endrey ny haleiben'ny agnaranao akeo am'tany daôly!

Chapter 9

1Ho an'ny mpiventy hira, atao am'fomba Almoth-laben. Saloma nataon'i Davida. Hisaotra an'i Yaveh am'foko manontolo za; hagnambara ny asanao mahagaga daôly za.2 Hifaly sy hiravoravo Aminao za; hira fideran ho an'ny agnaranao za, ry Avo indrindra!3Rafa mihevitra ny fahavaloko, de ho tafintohina sy ho faty magnolôna an'Nao zareo.4 Efa niaro ny rariny Anao; mipetraka akeo am'seza fendriananao Anao, ry mpitsara marina!5Efa nibedy an'reo firenena Anao; efa nandrava ny ratsy fagna Anao. Efa novononao mandrakizay doria ny agnaranjareo.6 Nirodagna ôtran'ny faharavan'reo fahavalo faha mandringana ny tanànanjareo Anao. Nanjavona ny fahatsiarovana an'njareo daôly.7Fa mijanona mandrakizay Yaveh; Efa nampijanona ny seza fiandrianany ho am'fahitsiana izy.8 Hitsara ny tany am fahamarinana izy, Ary hampiditra fitsarana ho an'ny firenena am' rariny izy.9Ho firavoravôna mafy ho an'ny ory ihany kô Yaveh, ho fiarôvana mafy am'fotôn-tsarotra. 10Ze mahay ny agnaranao de mahatoky an'Nao , Fa Anao , ry Yaveh, tsy mba mandôsa ze mikaraka an'nao.11Mihirà fiderana hoan'i Yaveh , ze manapaka akao Ziona ilazao am'reo firenena ny ra vitany.12 Fa Andriamanitra ze mamaly ny famonona ôla de mahatsara , tsy magnadino ny fitaraignan'reo ory izy.13Mamindrà fo aminà, Yaveh ô; zahao ny fampahorin'ze tsy tè anà , Anao ze afaka misintona anà avy akeo am_bavahadin'ny fahafatesana.14 Endre, te hagnambara ny fiderana an'nao daôly za. Akeo am_ambavahadin'ny zanaka vavin'i Ziona no hifaleko am'famonjenao!15Nilentika tam'lavaka ze nataonjareo reo firenena; takatra tam'harato ze nasitrik'izy reo ny tongony. 16Nampafantatra n'y tegnany Yaveh ; nampihatra fitsarana izy; vôfandrika tam'nataony ihany reo ratsy fagna. Sela.17Nitodeny lamosina ny ratsy fagna ary nalefatakaigny am'fiaignan_tsy hita, de ny anjaran'ny firenena daôly ze magnadino an'Andriamanitra.18 Fa reo mahantra de tsy ho adinoina mihitsy, n'y fagnantenan'ny ory kô de tsy ho very mandrakizay.19Mitsangàna, Yaveh ô, aza avela handresy an'nao ny leilà; ôka hotsaraina akeo amasonao reo firenena . 20Ampihorohorò zareo, Yaveh; ôka ho fantatray ny firenena daôly Fa olombelona ihany izy reo. Sela.
Chapter 10

1Nagnino, Yaveh ô, no mijanona agny lavitra agny Anao? nagnino no manitrika ny tegnanao am'fotôn_tsarotra Anao? 2Noho ny fireharehanjareo, de kijen'ny ratsy fagna ny ory; nefa ôka re ny ratsy fagna ho vôfandriky ny teti_dratsinjareo ze nokasainjareo ihany. 3Fa ny ôla ratsy fagna de mirehareha am'fagniriny laligna; mankasitraka an'reo tsy mahalala onona izy ary manimbazimba an'i Yaveh.4Nanandrana ny tavany ny leilà ratsy fagna; tsy mikaraka an'Andriamanitra izy. Tsy miraharaha ny momba an'Andriamanitra mihitsy izy satria tsy mivakiloha ny momban'azy.5 Vôaro am'fotôna daôly izy, kanefa ny didinao marina de agnambo loatra ho an'azy; mierogna amin'reo fahavalony daôly izy.6Ozy izy magnano agn'eritreritra hoe:"tsy ho lavo mandrakizay za; tsy hahita fahorena za hatram'taranaka mifandimby daôly". 7Feno ozogna sy fitaka, ary teny mampidi_doza ny vavany; mandratra sy mamotika ny lelany.8Mikendry miafina tsy alavitra ny tanàna. Akaigny am'reo tôrana misitrika no hamonôny ny tsy manan_tsigny; mikaraka an'reo niharam_boina tsy afa_magnôtra ny masony. 9Misitrika akao am'mangingina ôtran'ny liona agn'alan_dra izy; misitrika izy hikendrena ny ory. Mahasambotra ny ory izy rafa misontona ny haratony. 10Ze takany de notorotoroiny sy nodarofany ; ka tafalatsaka takao agnatin'ny haratony gedabe zareo.11Ozy izy mieritreritra hoe:"efa nagnadino Andriamanitra; manarogna ny tavany izy; tsy hisahirana hijery ihany kô izy".12 Mitsangàna, Yaveh ô! Asandrato ny tagnanao, Andriamanitra ô! aza magnadino ny ory.13Nagnino no mandà an'Andriamanitra ny ôla ratsy fagna ary miteny akao am_pony hoe:"tsy hitàna anà ho tompon'andraikitra anao?".14 Efa naharay filazana anao, Fa hitanao fôgna le iharan'ny fahorena sy alahelo . Magnankitegna aminao reo tsy afa_magnoatra ; mpamonjy ny kamboty anao.15Tapaho ny sandrin'reo ratsy fagna sy ôlon_dratsy. Ataovo tompon'andraikitra izy am'reo ratsy nataony , ze noheveriny Fa tsy hitanao.16 Mpanjaka mandrakizay doria Yaveh; vôrôka akeo am'taniny reo firenena.17Yaveh ô, efa naregny ny fitaraignan'reo ory Anao , mampahery ny fonjareo anao, mitandregny ny fivavak'zareo anao;18 miaro n'y kamboty sy ny ory Anao ka tsy ho hisy ôla ambonin'ny tany hampihorohoro ndre.
Chapter 100

1Salamo fagnomezam-pisaorana. Mihobia an'Jehovah, ry tany daôly.2 Manompoa an'Jehovah amim-piravoravôna; mankanesa akeo am'fagnatrehany am'fihobiana.3Fantatro fa Jehovah no Andriamanitra; nahary an'ntsika Izy, ka an'Azy atsika. Vahôkany sady ondriny fiambenany.4Midira akao am'reo vavahadiny am'fisaorana ary akao am'kianjany am'dera. manolora fisaorana an'Azy ary misaora ny agnarany. 5Fa tsara Jehovah; maharitra mandrakizay ny famindram-pony ary magnerana ny taranaka daôly ny fahamarinany.
Chapter 101

1Salamo nataon'i Davida. Hihira ny famindram-po sy fahamarinana za; ho An'nao, ry Jehovah de hihira fiderana za.2Handeha am'lalana marina za, andrey rahovena no mba ho tonga aketo aminà Anao? handeha am'fahitsina akao andragnoko za. 3Tsy agnisy fahadisôna akeo ambany masoko za, mankahala ny ratsy tsy mendrika za; tsy hifikitra aminà zany.4Handao anà ny mpamadika; tsy hankasitraka ny ratsy za. 5Ho poteko ze daôly magnendrikendrika ny namany mangingina tsy handefitra am'ze ôla managna fihetsika mieboebo sy toe-tsaigna miavognavogna za.6 Hijery ny mahatoky am'tany za mba hipetraka akeo agnilako. Ze mandeha am'lalana marina no mahazo manompo ana.7Tsy hitoetra akao an-dragnoko ny ôla mpamitaka; tsy ho tongasoa akeo ambany masoko ny mpandainga. 8Isak'ampôlakeka no hamotehiko ny ratsy fagnahy daôly am'tany, halàko avekao am'tagnan'Jehovah ny mpagnano ratsy daôly.
Chapter 102

1Ny fivavaky ny hory rafa feno lôtra izy ary mamboraka ny fitaraignany magnolôna an'Jehovah. Tandrigneso ny fivavako, Jehovah ô; tainô ny fitarainako Aminao. 2Aza asika aminà ny tavanao amin'ny androm-pahoreko. Tainô za. Raha magnantso An'nao za, de mba valeo malaky.3Mandalo ôtra ny setroka ny androko, ary mandoro ôtra ny afo ny taolako. 4Torotoro ny foko, ary ôtra ny ahitra malazo za. tsy tsarôvako ny mihinan-kanina.5Noho ny fisentoko mandrakariva, de niova ho mahe kely za. 6Sahala ny sama akaigny an-tanàna rava.7Tsy mahita tory ôtra ny vorogna mipetra-drerika za; rerika akao an-tampon-tragno. 8Mitare ratsy anà reo fahavaloko isan'andro lava zao; reo mpangeso anà mampiasa ny agnarako ho fagnozognana.9Mihinana lavenona ôtra ny mihinana mofo za ary mampifangaro ny za-vapisotro am'ranomaso. 10Noho ny fisafôkan'fahasoseko, no nanainganao anà mba handavôna anâ.11Ôtra ny talinjogna mihalefy ny androko; ary nalaza ôtra ny aahitra za. 12Nefa; Anao ry Jehovah, de velona mandrakizay, ary ho an'reo taranaka daôly ny lazanao.13Hitsangana Anao ka hamindra fo am'Ziona. Zao no fotôna hamindrana fo amin'azy; tonga ny fotôna vôtondro. 14fa reo mpanompoano, de mità reo vato malalany ary magnoraka ny vovoky ny faharinganany.15 Hagnaja ny agnaranao reo firenena maro, ry Jehovah, ary hanandratra ny voninatranao ny mpanjakan'tany daôly. 16Hagnambôtra an'Ziona ndre Jehovah ka hiseho am'voninatrany.17Am'zany fotôna zany, de hamaly ny fivavaky ny mahantra Izy; tsy handa ny fivavak'zareo Izy. 18Hosoratana ho an'reo taranaka ho avy zany, ary ôla mbola tsy teraka de hidera an'Jehovah.19Fa efa niondrika nitazagna avy aigny am'fitôrana ambony masina Izy; avy aigny an'dangitra Jehovah no mitazagna ny tany,20 mba haregny ny fisenton'reo gadra, mba hamotsotra an'reo ze vô eloka ho faty.21De hagnambara ny agnaran'Jehovah aigny Ziona sy ny fideràna an'Azy akaigny Jerosalema ny ôla, 22rafa miara-miangona mba hanompo an'Jehovah reo vahôka sy reo fanjakana.23Efa nalàna taminà takeo ampovon'fiaignako ny heriko. Nafozina ny androko. 24Ozy za hoe: "Andrimanitro ô, aza alàna akao ampovôn'fiaignako za; fa Anao de akeo magnerana ny taranaka daôly.25Nametraka ny tany am'fitôrany Anao talô; asan'tagnanao ny lagnitra.26 Ho levona reo fa Anao kosa hitoetra; hiha-antitra ôtra ny fitafena avokô izy daôly; ôtra ny akanjo, ho alàna zany, ka hanjavona. 27Fa Anao tsy miova, ary tsy hanam-pahataperana ny taonanao.28Ny zanak'reo mpanomponao ho velona hatraigny, ary ho velona akeo am'fagnatrehanao ny taranagny."
Chapter 103

1Salamo naton'i Davida. Hidera an'Jehovah am'fiaignako daôly za, sy ze daôly akato agnatiko, hidera ny agnaran'masina za. 2Hidera an'Jehovah am'fiaignako daôly za, ary hatsaro reo asan soa daôly.3Mamela ny heloko daôly Izy, magnasitrana ny aretinao daôly Izy. 4Magnavotra ny aignanao am'faharavana izy; manarogna an'nao am'famindram-po Izy ary mamindra fo tokôtra.5 Magnano ze mahafa-po ny fiaignanao am'zava-tsoa Izy mba ho voa, ôtra ny voromahery ndre ny fahatanoranao.6Magnano ze rariny Jehovah ary magnano ny asan'fahamarinana ho an'nampahorena daôly. 7Nampahafantariny an'Mosesy ny lalany ary tam'taranak'Israely reo asany. 8Mamindra fo sy miantra Jehovah; mahari-po, sady be famindram-po.9Tsy hagnafay mandrakariva Izy, tsy sosy mandrakariva. 10Tsy magnano antsika araka ze mendrika ny fahotantsika izy na mamaly antsika araka ze taken'ny otantsika.11Ôtra ny haambon'langitra ambon'tany no haben'famindrampony am'reo ze magnome voninahitra an'Azy. 12Ôtra ny halaviran'ny antsinanana amin'ny andrefana de ôtran'zany no halaviran'hangalany ny heloka ny fahotantsika am'ntsika. 13Ôtra ny ray mangoraka ny zanagny, no angorahan'Jehovah an'ze magnome voninatra an'Azy.14Fa fantany ny nanaovany antsika; fantany favovoka atsika. 15Raha ny amin'ôla, de ôtra ny ahitra ny androny, mamelana ôtra ny voninkazo aigny an-tsaha izy. 16Tsofin'rivotra zany, ka manjavona, ary tsisy na iza na iza afaka milaza hoe takaiza no nanirian'zany talô.17Nefa ny famindram-pon'Jehovah de mandrakizay doria ho an'reo ze magnome voninatra an'Azy. Mipaka aigny am'taranak'zareo ny fahamarinany. 18Mitandrina ny fanekeny sy matsaro ny fankatoavana ny fampianarany zareo.19 Efa nampitoetra ny seza fiandrianany aigny an'dangitra Jehovah, ary manjaka amin'ôla daôly ny fanjakany.20Miderà an'Jehovah, anareo anjeliny, anareo maheriny ze matanjaka sy magnano ny teniny, ary magneky ny feon'teniny. 21Miderà an'Jehovah, ry miaramilany daôly, anareo mpanompony ze magnatanteraka ny sitrapony.22 Miderà an'Jehovah, ry zava-boariny daôly ze, anjakany. Hidera an'Jehovah am'fiaignako daôly za.
Chapter 104

1Hidera an'Jehovah am'fiaignako daôly za, ry Jehovah Andriamanitro ô! mahafinaritra lôtra Anao; mitafy famirapiratana sy voninatra Anao.2 Mirakitra fahazavana ho fitafena Anao; velarinao ôtra ny lamban-day ny lagnitra.3 Mampitoetra an'reo andrin'ny efi-tragnonao agnambon'rôndro Anao: ataonao kalesy ny rôndro; mandoha akeo amin'ny embagn'rivotra Anao.4Ataony ho iragny ny rivotra, ho mpanompony ny lelan'afo. 5Nampitoetra ny fagnambanin'tany Izy, ka tsy hozongozogna mihintsy zany.6Nanarogna ny tany tam'rano ho sahala ny fitafena Anao; nandrakotra ny tanety ny rano.7 Ny fitenenanao no nampihemotra ny rano, tam'fagnenon'fikotrokotroky ny feonao no nampilefa an'regny.8Nitsangana reo tanety, ary reo lôsaha niparitaka taigny am'tôrana ze efa nanendrenao an'Azy. 9Namaritra sisin-tany ho an'regny Anao mba tsy hihoarany; ka de tsy hanarogna ny tany intsony regny.10Nampikorigna lôrano taigny am'reo losaha Izy; mikorigna agnelagnelagn'reo tanety ny rian-drano. 11Mamatsy rano ho an'biby daôly aigny an-tsaha regny; de afaka hetaheta reo ampondradia. 12Magnambôtra ny akanany akeo amoron-drano reo vorogna; mihira aigny am'rantsan-kazo izy ireo.13Manondraka an'reo tanety avy am'fitôran-dranony aigny an-dangitra Izy. Feno vokatry ny asany ny tany. 14Mampaniry ahitra ho an'reo biby fiompy Izy ary voly ho an'ôla ho volena mba hahafahan'ôla mamokatra hanina am'tany. 15Magnano divay fampifalena ny ôla izy, sy menaka mba hampamirapiratra ny tavany, ary ahanina mba hanoanana ny aignany.16Reo kakazon'Jehovah de vôtondraka orana be; de reo sederan'Libano na ze nambolena.17 Akeo no agnorenan'reo vorogna ny akanany. Ny voronkely magnano ny kakazo kypreso ho fonenany. 18Ny osidia manina, aigny am'reo tendrombohitra ambo; ary ny haambony tanety no felofan'reo hyraka.19Nanendry ny volana izy hanamarika ny vanim-potôna, fantatry ny masoandro ny fôtôna hilentegnany. 20Ataonao ny aizign'ny alina ze hivohan'biby daôly aigny agnala.21Miheriogna ho an'hazany reo liona tanora ary mikarakara ny ahaniny avy amin'Andriamanitra. 22Rafa mipôka ny masoandro, de misintaka regny ka matory an-davaka.23Mandritra an'zany fotôna zany, ny vahôka mivôka magnano ny asany sy misasatra mandrakariva. 24Jehovah ô, endrey ny hamarôna sy karazagn'reo asanao! Nataonao tampahendrena izy daôly; feno an'reo asanao ny tany.25Indro ny ranomasina, laligna sady malalaka, mihetsiketsika miaraka am'reo zava-boary tsy vôtanisa na ny kely na ny lehibe. 26Mandeha akeo reo sambo, ary akao ihany kô ny leviatana, ze nataonao hilalao an-dranomasina.27Reo daôly reo de mijery An'nao hagnome ny ahaniny ara-potôna. 28Rafa magnome an'zany Anao, de magnome izy reo; rafa manokatra ny tagnanao Anao, de afa-po izy reo.29Rafa manitrika ny tavanao Anao, de matatra izy reo, rafa mangala ny fofon'aignany Anao; de maty izy ireo ka mody vovoka. 30Rafa mandefa ny Fanahinao Anao, de voahary izy reo, ka hangnavao ny tany ndre Anao.31Haharitra mandrakizay anie ny voninahitr'Jehovah, hisitraka ny voahariny anie Jehovah. 32Miondrika mijer ny tany Izy, de mihorohoro zany; mikasika an'reo tendrombohitra Izy; de manetroka zany.33Hihira ho an'Jehovah am'fiaignako daôly za, hihira fiderana an'Andriamanitro za raha mbôla velon'aigna kô. 34Ho mamy amin'Azy anie ny fisaignako; hifaly akao am'Jehovah za.35Hanjavona aketo ambon'tany anie reo mpagnota, ary ôka ho tsy hisy intsony ny ratsy fagnahy. Hidera an'Jehovah am'fiaignako daôly za. Miderà an'Jehovah.
Chapter 105

1Misaotra an'Jehovah, antsovo ny agnarany; ampahafantaro am'reo firenena ny asany. 2Mihirà ho an'Azy, mihirà fiderana ho an'Azy; ambarao daôly reo asany mahagaga.3 Mireharehava amin'ny agnarany masina; ôka hifaly ny fon'ze mikaraka an'Jehovah.4Mikarà an'Jehovah sy ny heriny; karao hatraigny hatraigny ny fagnatrehany. 5Tadidio reo ra-mahagaga efa nataony, reo fahagagany sy reo lalàny avy akao ambavany, 6anareo taranak'i Abrahama mpanompony, anareo vahôkan'Jakoba, ôlom-boafidy.7Izy no Jehovah Andriamanitsika. Akeo am'tany daôly reo didiny. 8Ataony an-tsaigna mandrakizay ny fanekeny, de ny teny ze nandidiny ho an'reo taranaka agnarivony.9Matsara ny fanekena ze nataony tamin'i Abrahama sy fifantany tamin'Isaka izy. 10Zany no namafisiny tam'Jakoba ho lalàna sy tam'Israely ho fagnekena maharitra mandrakizay.11 Ozay Izy: "Ameko ho anjara lovanareo ny tany kanana."12Nilaza an'zany Izy tam'zareo mbôla vitsy agn'isa, tegna vitsy sady mpivahiny takao am'tany. 13Nivezivezy taigny am'firenena mankaigny am'firenena zareo ary avy am'fanjakana mankaigny am'raika hafa.14Tsy namela na iza na iza hampahory an'azy reo Izy; nandatsa mpanjaka maro Izy noho ny amin-jareo. 15Ozy Izy hoe: "Aza mikasika an'reo ôlom-boahosotro, magnano ratsy am'reo mpaminagniko."16Nagnatso silaona ho am'tany Izy; namongotra ny famatsena mofo daôly Izy.17 Nagniraka leila Izy hialô lalana an'azy reo; de Josefa namidy ho andevo.18Vôfatotra tady vy ny tongony, takeo am'tendany nasena rojo vy,19 ambara-pahatanteraka ny teniny, ary nitsapa an'azy ny tenin'Jehovah.20Nagniraka an'reo mpanompo hamotsotra an'azy ny mpanjaka, nagnafaka an'azy ny mpanapaka ny vahôka. 21Nataony niandraikitra ny tragnony ho mpanapaka reo fagnany daôly izy 22mba hampianatra reo andriany araka ze iriny sy hampianatra fahendrena an'reo loholony.23 De tonga tao Egypta ny Israely, ary Jakoba nivahiny tao am'tanin'Hama.24mpamokatra ny vahôkany Jehovah, ary nampatanjaka an'azy reo mandombolobo reo fahavalony. 25Nataony nankahala ny vahôkany fahavalon-jareo, mba hampijaly an'reo mpanompony. 26Nagniraka an'Mosesy, mpanompony, sy Arona, ze efa nofidiny Izy. 27Nagnatanteraka an'reo famatarana teo am'reo Egyptiana zareo, ary reo fahagagany tao am'tany Hama.28Nandefa haizigna sy nampamaizigna zany tany zany Izy, nefa tsy nakatò reo didiny sy vahôka tao. 29Namadika ny ranon-jareo ho rà Izy ary namono ny hazandranony. 30Rakotra sagna ny tanin-jareo, na de ny tao agnefitranon'mpanjakan'zareo aza.31Niteny Izy, ka de tonga nagnerana ny tranon-jareo ny andian-dalitra sy aloy.32 Navadigny ho avandra ny oran-jareo, niaraka tamin'ny afo nidedadeda takeo am'taniny.33 Nopotehany ny vôloboka sy ny hazon'aviavin-jareo, naratiny reo kakazo takao an-tanànan-jareo.34Niteny Izy, de tonga ny valalagna, valalagna betsaka be. 35Lanin'valalagna ny ra-maniry daôly takao am'tanin-jareo; lan'regny ny volin'tany daôly. 36Nivonony ny lahimato daôly takao am'tany, ny volômbokatry ny herim-pon-jareo daôly.37Nentiny nivôka niaraka tam'volamena sy volafotsy ny Israelita; tsisy tam'reo fokony vôtsitona taigny an-dalana. 38Falifaly Egypta raha lasana zareo, satria natatra an'azy reo ny Egyptiana. 39Nampiparitaka ny rôndro ho firakotra Izy ary nagnano afo hampazava ny alina.40Nangataka ahanina ny Israelita, ka de nitondrany papelika ary hafa-po tam'mofo avy aigny an-dagnitra. 41Namaky ny vatolampy Izy, ka niboiboika avy tao ny rano; nikorigna taigny agnefitra ôtra ny renirano iregny. 42Fa natsaro ny fampanantenany masina ze nataony tamin'Abrahama mpanompony Izy.43Notaritiny nivôka tam'pifalena ny vahôka; ary tam'hikampandresena ny olom-bôfidiny.44 Nameny an'azy reo ny tanin'firenena maro; niaka fanagnana tam'haren'ny vahôka zareo. 45Mba hitandremany ny didiny sy hankatoaavany ny lalàny. Miderà an'Jehovah.
Chapter 106

1Misaora an'Jehovah, fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizany ny famindram-pony.2 Iza no hahatanteraka reo asa lehibe nataon'JEhovah na hanonona feno an'reo asany mendri'piderana?3Hotahina ane ze magnano ny marina, sy ze magnano asa marina isan'andro vaky.4 Tsarôvo za, ry Jehovah, rafa mpampiseho sitraka amin'ôla Anao, ampio za rafa mamonjy an'azy reo Anao. 5De hahita ny fagnambinan'reo vôfidinao za, hiravoravo am'fifalen'firenenao sy hagnome voninatra am'lovanao.6Nanota ôtran'reo razambenay zahay, nagnano ny tsy nanjary zahay, ary nahavita ratsy.7 Tsy nankasitrahan'reo razagnay reo asanao mahagaga taigny Egypta; tsy niraharaha ny habetsaky ny famindram-ponao zareo, kanikomy taigny am'ranomasina takaigny am'ranomasina mena.8Na zany aza, de namonjy an'azy reo Izy noho ny amin'ny agnarany mba hahafahany mampiseho ny fahefany. 9Noteneniny mafy ny ranomasina mena. De ritra zany: de nitarika an'azy reo nitsaka an'reo laligna Izy, ôtra ny nitsaka efitra.10Namonjy an'azy reo tam'tagnan'reo ze nankahala an'azy reo Izy, ary namonjy an'azy reo tam'tagnan'fahavalo. 11Fa ny rano nandifotra an'reo mpandrafy an'azy, ary tsisy na de raika tamin-jareo avotra. 12De nino n teniny zareo, ka nihira fideràna an'Azy.13Nefa nalaky tsy natsaro ny nataony zareo, tsy nandigny an'reo torolalany. 14Fatra-pila taigny agnefitra ka nikaraka nihôtra an'Andriamanitra taigny an-tany efitra. 15De nameny ho azy reo ny fangatahany, nefa nandefa aretina hamely ny vatagn'zareo Izy.16Taigny an-toby de nialona an'Mosesy sy Arona, mpisorogna masin'Jehovah zareo.17 Nisokatra ny tany ka naneligna an'Datana, ary nanarogna an'reo mpagnara-de an'i Abirama. Nirehitra tamin-jareo ny afo; 18ka nandevona ny ratsy fagnahy.19De nagnano zanak'aombilahy takao Horeba zareo ka nanompo sarin'dra vy.20 Natakalon-jareo sarin-aombilahy vôsikotra ze mihinana ahitra maintso ny voninahitr'Andriamanitra. 21TSy nahatsaro an'Andriamanitra mpamonjy an'azy, ze nagnano asa lehibe taigny Efypta zareo.22Nagnano zava-tsoa mahafinaritra takao an-Hama sy asa mahery takao am'ranomasina mena Izy. 23Ary nandidy ny handringanana an'azy reo Izy, raha tsy Mosesy, ze vôfidiny, no niditra an-tsehitra niaraka amin'azy takeo am'fanapahana mba hampiova ny fahasoseny am'famotehina an'azy reo.24De nataon-jareo tsinotsino ny tany mahavokatra; tsy nino ny fampagnantenany zareo; 25fa kosa nimonomonona takao an-dainy, ary tsy nankato an'Jehovah.26Noho zany de nanangana ny tagnany izy ary nifanta tamin-jareo fa hamela an'azy reo ho foaty aigny agnefitra, 27hampihely ny taranak'zareo erak'reo firenena ary hampiely an'azy reo akaigny am'tany hafa.28Nanompo an'Bala peora zareo ary nihinana an'reo sorogna natolotra ho an'maty. 29Nikatsika an'Azy ho sosy tam'fihetsigny zareo, ka de namely an'azy reo ny areti-mandringana.30De nitsangana i Finehasa ka nirotsaka an-tsehitra, ary de nijanona ny areti-mandringana. 31Agnisany asa marina ho an'azy mandrakizay zany hatraigny am'taranaka fara-mandimby.32Nampahasosy an'Jehovah takeo am'ranon'Meriba ihany kô zareo, ka nijaly Mosesy noho ny amin-jareo. 33Nampahory an'Mosesy zareo, ka de nitare mahery izy. 34Tsy namotika an'reo firenena araka ny nandidian'Jehovah zareo, 35nefa zareo nifangarongaro tam'reo firenena maro ka nianatra ny fataony 36sy nanompo an'reo sampiny, ze tonga fandrika ho an'azy reo.37Nagnano sorogna ho an'reo zanagny lahy sy ho an'reo zanagny vavy ho an'devoly zareo.38 Nandatsaka rà tsy manan-tsigny zareo, de ny ran'reo zanagny lahy sy an'reo zanagny vavy ze nataon-jareo sorogna ho an'reo sampin'kanana; ka nanilbazimba ny tany tam'rà. 39Vôloto tam'reo asany; ôtra ny reo mpijangajanga zareo noho ny nataony.40Ka de sosy tamin'ny ôlony Jehovah, ary tsy nirarany ny vahôkany. 41Nameny ho aigny an-tagnan'reo firenena zareo, ary ze nankahala an'azy reo no nanapaka takeo amin'azy.42Nampahory an'azy reo ny fahavalony, ary nentiny hagneky ny fahefany zareo. 43Matetika tonga nagnampy an'azy reo Izy, fa zareo kosa nivadika hatraigny ary nalentiky ny fahotany ihany.44Na izany aza de nijery ny fahorian-jareo Izy rafa nandregny an'azy reo nitomagny hovonjena. 45Nampatsaro ny fanekeny tamin-jareo Izy ka nijanona noho ny fitiavany tsy miova. 46De nataony niantra an'azy reo ny mpambabo daôly.47Vonjeo zahay, ry Jehovah, Andriamanitra ô. Ary angono avy am'reo firenena ny agnaranao Masina sy hagnomezanay voninatra am'fideràna An'nao. 48Ho deraina anie Jehovah Andriamanitr'Israely, rahatrizay ka ho mandrakizay. Ary nitare ny ôla daôly hoe: "Amena." Miderà an'Jehovah. Boky fahadimy.
Chapter 107

1Misaora an'Jehovah, fa tsara Izy, ary mandrakizay ny famindram-pony. 2Ôka reo navotan'Jehovah hagnambarà, de ze navotany takeo an-tagnan'fahavalo. 3Nongoniny avy am'tany hafa maro zareo, de ze avy aigny ambony sy avy aigny an-drefana, avy aigny avaratra sy atsimo.4Nirenireny taigny agnefitra taigny am'lalana hay zareo ary tsy nahita tanàna honenana.5 Satria nôna sy nangetaheta zareo, de valaka ny harerahana zareo. 6Ka de nagnantso mafy an'i Jehovah zareo tamin'ny andrompahoreny, de namonjy an'azy reo tamin'ny andropahorena Izy. 7Nitondra an'azy reo tam'lalana mahitsy Izy mba hahafahan-jareo mande aigny am'tanàna ze honenany.8Hidera an'Jehovah anie ny ôla noho ny famindram-pony sy ny am'reo ra-mahagaga nataony ho an'ny ôlombelona! 9Fa magnome fahafam-po ny fagnirian'ze mangetaheta Izy, ary ny fagnirian'reo nôna de vokisany zava-tsoa. 10Ny sasagny nijanona agnaty famarignana sy aizim-pito, vôgadram-pahorena sy tady vy.11Nisy zany satria nivadika tamin'Andriamanitra zareo ary nandà ny torolalan'ny Avo Indrindra. 12Nampietry ny fon-jareo tam'fahasahiranana Izy. Tafitona zareo ary tsisy nagnampy an'azy reo hitraka.13 De nagnantso an'Jehovah zareo tam'fahoreny, de nalany tam'fahorenany.14Nitondra an'azy reo hiala ny fahamaizignana sy aizim-pito Izy ary nalaha ny fatoran-jareo. 15Hidera an'Jehovah anie ny ôla noho ny famindrampony sy ny am'reo ra-mahagaga nataony ho an'ôlombelona! 16Fa izy namotika ny vavahady varagna ary nanapaka an'reo hidy vy.17Adala zareo tam'fitsibadena nataony ary ory noho reo helogny. 18Very ny fikasàny hihinana ny haanina daôly, ary nihanagnankeky ny vavahadin'fahafatesana zareo. 19Ka nagnantso mafy an'Jehovah zareo tamin'ny andro-pahoreny, de nalàny tam'fahorenany.20Nandefa ny teniny Izy ka nagnasitrana an'azy reo, de novonjeny tam'fahapoteny zareo. 21Hidera an'Jehovah anie ny ôla noho ny famindrampony sy reo ra mahagaga nataony ho an'ôlombelona! 22Ôka zareo hanolotra reo fagnati-pisaorana ka hagnambara ny asany leihbe am'fihirana.23Ze miantsambo aigny an-dranomasina sy magnano raharaham-barotra aigny am-pitan-dranomasina. 24Nahita ny asan'Jehovah sy ny fahagagany taigny an-dranomasina zany daôly zany.25 Izy no nibaiko sy nagniraka ny tafio-drivotra ze natondraka ny ranomasina.26 Nanakatra ny lagnitra iregny; ary nidigna takaigny am'laligna. Trotraky ny fahorena ny fiaignan-jareo. 27Nisangodigna sady nivembegna ôtran'reo mamo zareo ka very saigna.28Ka de nagnantso an'Jehovah tam'fahoreny zareo, ka nalàny tam'fahoreny. 29Nampitogny ny tafio-drivotra Izy, ary ny onjan-dranomasina nijanona. 30Ka de niravoravo zareo satria togny ny ranomasina, ary nitondra an'azy reo ho aigny am'morogny nirian-jareo Izy.31Hidera an'Jehovah anie ny ôla noho ny famindrampony sy ny am'reo ra-mahagaga nataony ho an'ôlombelona! 32Ôka zareo hanandratra an'Azy akeo am'fiangonan'ôla ary hidera an'Azy akao am'fitsaran'reo loholona.33Mamadika ny ogny ho efitra Izy, sy ny lôrano ho tany maigna 34ary ny tany mahavokatra ho tany hay noho ny faharatsen'ôla. 35Mamadika ny efitra ho farihin-drano Izy, ary ny tany maigna ho lôrano betsaka.36Mametraka ny nôna akaigny Izy, ko manangana tanàna hipetrahan-jareo.37 Hagnorina tanàna hagnanaovana saha zareo, ary hagnano tanim-bôloboka, sy hitondra vokatra betsaka be. 38Hitahy an'zany Izy ka de ho maro agnisa zany zany. Tsy havelany hihavitsy ny biby tahirin-jareo.39Fa nihegna sy rietry zareo nohon'fahorena marary sy mangirifiry. 40Magnivaiva fagnamavôna am'reo mpitarika Izy ary mampivendrivendry an'azy reo aigny agnefitra, ze tsisy lalana.41Fa miaro an'reo mahantra nohon'fahorena kosa Izy ary miahy an'reo fianakaveny ôtra ny andian'ondry. 42Hahita an'zany ny mahitsy ka ho faly, ary ny faharatsena daôly hangina.43 Ze hendry de ôka handray an'tsoratra an'zany ra zany ary hisaintsaigna an'reo asampamindranpo'Jehovah.
Chapter 108

1Tonon-kira, salamo nataon'i Davida. Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô; hihira za, eny, hihira fiderana am'foko ravoravo kô za.2 Mifohaza, ry vale sy lokanga; hifô ampôlakeka za.3Hisaotra an'Nao za, ry Jehovah, aigny amin'ny ôla daôly; hihira fiderana ho an'Nao za aigny am'firenena daôly. 4Fa lehibe ambon'ny lanigtra ny famindramponao ary mipaka aigny am'habakabaka ny famarihamarinanao.5Misandràta. Andriamanitra ô, aigny ambonin'lanigtra ary ôka ny voninatranao magnerana ny tany daôly. 6Mba ho voavonjy reo malalanao ary de vonjeo am'tagnanao ankavanana za ka valeo.7Niteny tam'famasinany Andriamanitra hoe: "Hifaly Za ary hizara an'i Sekema sy handrefy ny lohasan'i Sokota.8 Anà Gileada, ary Anà Manase, fiarovan-dôko kô Efraima; tehinam-piandrianako Joda.9Fitôran-drano fanasako Moaba akeo amin'i Edoma no hanipazako ny kapako; hikeka fandresena Za ho noho i Filistia. 10Iza no hitondra Ana aigny am'tanàna matanjaka? Iza no hitarika Anà ho aigny Edoma?"11Andriamanitra ô, anga tsefa nanda an'nay ma Anao? Tsy mba hiarka am'maramilanay amin'ny ady Anao. 12Ameo tagnana zahay hanotra ny fahavalo, fa zava-pogna ny fagnampen'ny ôla. 13Ny fagnampen'Andriamanitra no handresentsika ary ho kitsakitsany reo fahavalontsika.
Chapter 109Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.

1 Andriamanitra ze deraiko ô, aza mangigna Anao, 2fa mamely anà ny ratsy fagna sy mpamitaka; milaza lainga momba ana zareo. 3Magnodidigna anà zareo ka miteny fakahalana, ary mamely anà amin'ny tsisy dikany.4Endrikendrika no navalin-jareo ny fitiavako, fa za kosa mivavaka ho an'azy reo.5 Novalen-jareo ratsy ny tsara nataoko ary halany ny fitiavako.6Magnirà leila ratsy fagnà salan'ny fahavalo otran'regny ôla regny, ary manondro mpiampanga hitsangana akeo antagnany ankavanana.7 Refa ho tsaraina izy de ôka ho meloka ary ôka ny fivavany hanjary fahotana.8Ho foika ane ny androny ary ho lasan'ôlon-kafa ny anjara asany. 9Ho kamboty ray anie ny zanagny ary ny vadiny ho mpitondra tegna. 10Hivendrovendro fôgna sy ho mpitaraigna anie ny zanagnany, ka hangataka ahanina raha mandôsa ny fonegnany potika zareo.11De alain'ny tompon'trosa ze ra daôly anagnany; ary ny vahiny handroba ze azony.12 Ôka tsy hisy na de raika hampiseho hatsaram-pagna aminazy ary tsy hisy hiantra ny zanagny kamboty. 13Ôka ho ripaka ny zanagny ary ny agnarany ho fafana amin'ny taranaka faramandimby.14Ôka ho tognonina akeo amin'i Yaveh ny helok'reo razagny ary ho tsarôvany ny heloky ny reriny. 15Ôka ho akeo agnatren'i Yaveh isan'andro vaky ny hadison-jareo ary ho fognan'i Yaveh aketo ambonin'ny tany ny fatsiarôvana an'azy reo. 16Ôka ataon'i Yaveh zany satria io leila io de tsy mba nankasitraka famindrampo, fa nampijaly ny ory, sy ny mahantra ary ny kivy fo amin'ny fafatesana.17Nankasitraka ozogna izy; hanody an'azy anie zany. Mankahala fitahina izy; ôka tsy hisy fitahina tonga aminazy. 18Mampitafy ny tegnany amin'ny ozogna otran'ny akanjony izy, ary fagnozognana no mipaka aigny agnatiny salan'ny rano, salan'ny tsoka agnatin'ny tôlagny.19Ôka ny ozogny ho salan'ny fitafina ze hanarognany ny tegnany sy ôtran'ny fekibo ze agnanovany. 20Ôka zany ny valisoa ho an'reo mpiampanga avy amin'i Yaveh ho an'ze miteny ratsy ny aminà.21Yaveh Tompoko ô! ndeso amin'ny fatsorana za noho ny amin'ny agnaranao. Satria tsara ny famindramponao vonjeo za. 22Fa ory sy mahantra za, ary voakiky akao agnatin'ny foko. 23Me-mihegna ôtran'ny talinjogn'ny hariva za; ary nihintsagna ôtran'ny valalagna.24Nalemin'ny fifaden-kanina ny loaliko; nanjary tolam-pôgna za. 25Ataon'reo mpagnenjika ana ho tsisy varany za; rafa matazagna ana zareo de mihifikifi-doha.26Ampeo za, ry Yaveh Andriamanitra ô! vonjeo amin'ny famindram-ponao za. 27Ary ôka ho fantatr'zareo fa zany no asanao, ze Anao Yaveh no nagnano an'zany.28Na de magnozogna anà zareo, de mba tahio za; raha mamely zareo, de ôka hitsanga-megnatra ka ze kosa hifaly. 29Ôka hitafy hegnatra ny favaloko, ary hiakanjo ny famegnarany ôtran'ny tohi-tegna zareo.30Amin'ny vavako no hanolorako fisaorana leibe ho an'Yaveh hidera an'azy akeo ampôvon'ny Vahôka za. 31Fa hitsangana akeo an-tagnana ankavanan'ny malahelo Izy mba hamonjy an'azy am'ze mitsara an'azy.
Chapter 11

1Ho an'ny mpiventy hira . Salamo nataon'i Davida. Mialoka akao am'Yaveh za; ahôna no hilazanao aminà hoe:"milifasa aigny an_tanety salan'ny vorogna?".2 Fa ndreo! magnomana ny tsipikany ny ratsy fagna. Magnenjika ny tsipikany zareo mba hitifirana ny mahitsy fo akao agnaty aizigna.3Fa raha roba ny fototra , ino no azon'ny ôlo_marina atao?4 Yaveh de akao @ tempoliny masina; mijery ny masony , mandinika ny zanak'olombelona.5Samy dinihin'i Yaveh na ny ôlo_marina na ny ratsy fagna, Fa izy de mankahala an'reo mankafy herisetra . 6Handatsaka vaink'afo mahamay sy solifara am'reo ratsy fagna izy; rivotra mandoro no ho anjaranjareo avy am'kapokany!7 Fa marina Yaveh, Ary tè fahamarinana izy ; ny ôla marina no hahita n'y tavany.
Chapter 110

1Salamo nataon'i Davida. Ozy Yaveh tamin'ny tompoko hoe: "Mipetrà aketo an-tagnako ankavanana mandra-pagnanôvako reo favalonao ho fitôrantongotrao."2Yaveh hamôka ny tehinam-piandrianan'ny herinao avy aigny Ziona; ka mandidia an'reo fahavalonao. 3Hanara-de an'nao ankalanana ny vahôkanao agnatin'reo akanjo masina amin'ny andron'ny faefanao; ateraka amin'ny mangiran-dratsy ôtran'ny ranon'ando ho an'nao ny fatanoranao.4Yaveh efa nifanta, ary tsy hiova hoe: "ho mpisorona mandrakizay anao araka ny fataon'i Melkizedeka."5Akeo antagnanao ankavananao ny Tompo. Hamono an'reo mpanjaka Izy amin'ny androm-pasoseny. 6Hitsara an'reo firenena Izy; ho be faty mitsirara aigny amin'ny tany niady, ary ho vonony reo mpitarika aigny amin'ny firenena maro.7Hisotro amin'ny lôsahan'dreka aigny an'dalana Izy, ary de hampitraka agnambo ny lôhany afaran'ny fandreseny Izy.
Chapter 111

1Miderà an'i Yaveh. Hanolotra fisaorana ho an'i Yaveh amin'ny foko manontolo za akao amin'ny fivoren'ny ôlomasina, akao amin'ny fiangonan-jareo. 2Leibe ny asan'Andriamanitra, ka nandrasan'ze nagniry an'azy reo tamin-pavitrina. 3Malaza sy be voninatra ny asany, ary ny famarinany maharitra mandrakizay.4Magnano ra mafinaritra ze ho tsarôvana Izy; mpamindra fo sy miantra Yaveh.5 Magnome ahanina ho an'reo mpagnara-de matoky Anazy Izy. Hampatsaro ny fagnikeny isan'andro vaky Izy. 6Natorony tamin'ny ôlony reo asany maheriny tamin'ny fagnomezany an'azy reo ny lovan'ny fireneny.7Mendri-pitokisana sy mahitsy reo asan'ny tagnany; azo antoko daôly ny fampianarany.8 Mipetraka mandrakizay zany mba hitandremana amin-fitokisana sy amin'ny tokony ho izy. 9Nagnome fandresena ho an'ny ôlony Izy; nampisy famindrampo mandrakizay; masina sy mampatatra ny angarany.10Ny fatahôrana an'i Yaveh no fiandoam-pahendrena; ze magnatanteraka ny fitsipigny no managna fahazavan-tsaigna tsara. Maharitra mandrakizay ny fiderana an'Azy.
Chapter 112

1Sambatra ny ôla ze mankato an'i Yaveh, sy ze tegna mankasitraka an'reo didiny. 2Reo taranagny hahery aigny ambonin'ny tany; reo taranaky ny leila masina ho voatahy.3Harena sy fanagnana no akao an-dragnony ary ny famarinana mandrakizay.4 Magnazava akao amin'ny maizigna ho an'ny ôlo-masina ny hazavana; miantra Izy, ary mpamindrafo sy mahitsy. 5Halamina ny ra daôly amin'ny ôlo ze miantra sy mampisambotra ze nitondra ny asany amin'ny fatsoram-po.6Fa tsy hangozohozo mitsy izy; ny ôlo masina de ho tsarôvana mandrakizay. 7Tsy hatatra ny vaovao ratsy izy; satria matoky an'Yaveh.8Milamina ny fony tsisy tatra mandra-pahitany ny faresen'reo fahavalony.9 Malala-tagnana am'reo mahantra izy, ny famarinany haharitra mandrakizay, hasandratra amboninatra izy.10Reo ôla ratsy fagna atazagna an'zany de ho sosy; hihidy vazagna izy ka hiempo, ho foaty ny fagnirin'ny ôla ratsy fagna.
Chapter 113

1Miderà an'Yaveh. Miderà an'Azy, anareo mpanompon'Yaveh derao ny agnaran'i Yaveh.2 Isaorana ane ny agnaran'i Yaveh, am'zao ka ho mandrakizay.3Amin'ny fiposan'ny masoandro ka hatramin'ny fijibiny de tokony ho deraina ny agnaran'i Yaveh. 4Asondrotra ambonin'ny firenena daôly Yaveh, ary ny voninatra ny mipaka ambonin'ny lagnitra.5Iza no salan'Yaveh Andriamanitsika, ze mipetraka aigny amin'ny farany agnambo, 6le mitazatazana nidigna aigny amin'ny lagnitra sy aty an-tany?7Manondrotra ny mahantra hiala amin'ny loto Izy ary manangana an'reo fadiranovagna amin'ny lavenona misavovogna, 8mba ahafany mametraka an'azy miaraka am'reo mpanapaka ny andrinan'ny vahôkany.9Magnome tragno fonegnana ho an'ny veivavy tsy mamaitra Izy, magnano an'azy ho renin-jaza falifaly Izy. Miderà an'i Yaveh!
Chapter 114

1Refa niala an'i Egypta ny Israely, ny taranak'i Jakoba avy taigny am'zany vahôka hafa firenena zany, 2de tonga fitoerany masina i Joda, ary fanjany i Israely.3Ny ranomasina nahita ka nilefa; niemotra ny Jordana. 4Nibitaka salan'ny ondrilahy reo tendrombotra ay ny tanety salan'ny zanak'ondry.5Nagnino milefa anao, ry ranomasina? ry Jordana, nagnino anao no miemotra? 6Ry tendrombotra nagnino anareo no nibitabitaka salan'ny ondrilahy? Anareo tanety kely nagnino anareo no mibitabitaka salan'ny zanak'ondry? 7Mangovitra, ry tany, magnolôna ny Tompo amin'ny fagnatren'Andriamanitr'i Jakoba.8Namadika ny vatolampy ho dobon-drano Izy, ary ny vatolampy mafy ho lôrano.
Chapter 115

1Tsy ho anay, ry Yaveh, tsy ho an'nay, fa ho an'ny agnaranao no hagnomezam-boninatra, sy ho an'ny famindramponao ary ny famarinanao. 2Nagnino reo firenena no mitare hoe: "Aiza ny Andriamanitry zareo?"3Ny Andriamanitray aigny an-dagnitra aigny, magnano an'ze daôly tiany atao.4 Volafotsy sy volamena no sampin'reo firenena, asan-tagnan'ôla.5Manam-bava reo sampy reo, fa tsy mivolagna; mana-maso izy reo, fa tsy mizaha; 6manan-tsofina, fa tsy maregny; managn'orogna, fa tsy mifokarivotra.7Reo sampy reo manan-tagnana, fa tsy afaka mandray; manan-tongotra, fa tsy afaka mamindra; na de ny mitare amin'ny vavany aza. 8Le nagnano an'azy reo de mitovy aminazy salan'ze mitoky aminazy ko.9Ry Israely, matokisa an'i Yaveh; Izy no famonjena an'nao sy ampinganao. 10Ry taranak'i Arona matokisa an'i Yaveh; Izy no famonjena an'nao sy ampinganao. 11Anao ze nagnome voninatra an'i Yaveh, matokisa an'Azy; Izy no famonjena an'nao sy ampinganao.12Yaveh mihevitra antsika ka hitahy antsika; hitahy ny fianakavin'Israely Izy; ary hitahy ny fianakavian'i Arona. 13Hitahy ze magnome voninatra an'Azy Izy; na tanora na antitra. 14Hampitombo isa an'nareo hatraigny hatraigny, anie Yaveh, de ny an'nao sy ny an'reo taranakao.15Yaveh le nagnano ny lagnitra sy ny tany anie hitahy an'nao. 16An'i Yaveh ny lagnitra fa tany nameny an'ny ôlombelona.17Ny maty tsy mba midera an'i Yaveh, na ze midigna aigny amin'ny fangignana tsy mba nagnano an'zany; 18Fa zahay kosa hisaotra an'i Yaveh gniany ka ho mandrakizay. Miderà an'i Yaveh.
Chapter 116

1Teko Yaveh satria Izy maregny ny feoko sy reo taraignako ho amin'ny famindram-po.2 Satria hitaino anà Izy, de hagnantso an'Azy za raha mbôla velona kô.3Namatotra ana reo tadin'ny fafatesana, ary ny fandriky ny fiaignan-tsy hita nifagnojo tamina, natsaro nagnirifiry sy nalaelo za. 4De nagnantso ny agnaran'i Jehovah za hoe: "Miagavy ry Yaveh, avoto ny aignako."5Be famindram-po Jehovah ary tsy mitanila; ny Andriamanintsika de be fangoram-po.6 Miaro ny bado Yaveh; nambanina za de namonjy ana Izy.7Afaka miverigna aigny amin'ny tôrana fitsaharana ny fanahiko, satria Yaveh efa nagnano soa tamina. 8Fa Anao no nagnavotra ny aignako tamin'ny fafatesana, sy ny masoko tamin'ny ranomaso, ary ny tongotro tsy ho tafitona.9Hanompo an'i Yaveh aigny amin'ny tanin'ny velona za. 10Nino an'Azy za na de niteny aza za hoe: "Tegna ory za." 11Nitare tsy amipiheverana za hoe: "Mpandainga daôly ny ôla daôly."12Amin'ny fomba manakory no afahako magnefa amin'i Yaveh ny hatsarana daôly nataony tamina. 13Hatsangako ny kapokan'ny famonjena, ary antsovoko ny agnaran'i Yaveh.14 Hagnefa an'reo voadiko tamin'i Yaveh teo agnatren'ny vahôkany za.15 Sarobidy teo amason'i Yaveh ny fafatesan'reo ôlo-masiny.16Mpanoponao tokôtra za ry Yaveh, mpanompoa za zanaka lahin'ny mpanompo vavinao; novahanao ny fatorako. 17Hanolotra sorom-pisaorana ho Anao za ary hagnantso ny agnaran'Yaveh.18Ho vitaiko reo voadiko tamin'i Yaveh teo agnatren'ny vahôkany daôly, 19tao an-kianjan'ny tragnon'i Yaveh, teo ampovônao ry Jerosalema. Derao Yaveh.
Chapter 117

1Miderà an'i Yaveh, anareo ry firenena daôly; asandrato Izy, anareo ry vahoka daôly.2 Fa ny famindram-pony de leibe akeo agnatrentsika, aray maharitra mandrakizay ny fahamarinan'i Yaveh.
Chapter 118

1Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.2 Oka ny Israely hiteny hoe: "Maharitra mandrakizay ny famindram-pony."3Oka n taranak'i Arona hilaza hoe: "Ny fanekeny matoky de maharitra mandrakizay,"4 Oka reo mpanara-de matoky an'i Yaveh hilaza hoe: "Maharitra mandrakizay ny famindram-pony."5Nagnantso an'i Yaveh za takao agnatin'ny fahorenako; namaly ana Yaveh ka nanafaka ana. 6Niandany taminà Yaveh: ka tsy za; ino no azon'ny ôla atao aminà? 7Mpamonjy akeo agnilako Yaveh; hijery amim-pandresena ze mankahala anà za.8Tegna tsara ny mialoka akao amin'i Yaveh toy zay mametraka fitokisana amin'ny olombelona. 9Tsara mitoetra akao amin'i Yaveh toy zay mametraka fitokisana amin'ny andrian-dahy.10Ny firenena daôly magnodidigna ana; tamin'ny agnaran'i Yaveh no nandringanako an'azy regny. 11Nagnodidigna ana zareo; eny, nagnodidina ana, haringako amin'ny agnaran'i Yaveh zareo. 12Nagnodidigna ana otran'ny renin-tantely zareo; nanjavona nalady salan'ny afo teo amin'ny tsilo zareo; naripaka tamin'ny agnaran'i Yaveh zareo.13Nanosika ana zareo mba handavo ana, nefa nagnampy ana Yaveh. 14Yaveh no heriko sy fifaleko ary izy le tokana mpagnavotra ana.15Regny tao amin'ny lain'ny olo marina ny hiakam-pifalen'ny fandresena mandresy ny tagnana ankavanan'i Yaveh. 16Asondrotra ny tagnana ankavanan'i Yaveh; mandresy ny tagnana ankavanan'i Yaveh.17Tsy ho foaty za, fa ho velona ary hagnambara an'reo asan'i Yaveh. 18Efa nofaizin'i Yaveh mafy za; nefa tsy nanolotra ana ho foaty Izy.19Sokafo ho ana reo vavahadin'ny famarinana; hiditra akao am'zany za ary hisaotra an'i Yaveh. 20Zany no vavahadin'i Yaveh; ny ôlo-marina no miditra akao. 21Hisaotra Anao za satria namaly ana Anao, ary manjary famonjena ho ana Anao.22Le vato ze nolavin'ny mpagnano tragno no efa tonga vato fehizoro. 23Zany no ataon'i Yaveh mahagaga akeo amasonay zany.24Ty le andro ze nataon'i Yaveh; hifaly sy hiravoravo am'zany tsika. 25Miangavy ry Yaveh ô! ameo fahombiazana zahay, Miangavy ry Yaveh ô! ameo fahombiazana zahay!26Ho tahina ze ho avy amin'ny agnaran'i Yaveh; hisaoranay akao an-dragnon'i Yaveh anao. 27Yaveh no Andriamanitra, ary efa nafnome fazavana ho an'nay Izy; ka namatotra ny sorogna am'reo tady teo amin'ny tandroky ny alitara. 28Anao no Andriamanitro, ary hisaotra Anao za, Anao no Andriamanitro; hanondrotra Anao za.29Oh! misaotra an'i Yaveh fa tsara Izy; fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
Chapter 119

1ALEFA. Sambatra ze tsisy tsigny ny lalany, de ze mande amin'ny lalàn'i Yaveh. 2Sambatra ze mitandrina ny didiny masina de ze mikaraka Anazy amin'ny fony daôly.3Tsy mba magnano ratsy zareo fa mande amin'ny lalany. 4Nandidy an'nay hitana ny fampenaranao Anao mba hitandremanay an'zany tsara.5Eny, te ho mafy orina amin'ny fitandremana ny didinao za! 6De tsy ho megnatra za raha misaigna reo didinao daôly.7Hagnome fisaorana ho Anao amin'ny fo mahintsy za refa mianatra ny fitsipikao marina. 8Hitandrina ny didinao za ary aza avelanao ho irerika za. BETA.9Amin'ny fomba manankory no hitandreman'ny tanora ny lalan-kombany mba hadio? Amin'ny fankatoavana ny teninao.10 Amin'ny foko manontolo no hikasako Anao; aza mamela ana hiala amin'ny didinao.101Niaro ny tongotro hiala amin'ny lalan'dratsy daôly za mba hitandremako ny teninao. 102Tsy nivily lalana niala tamin'ny lalanao marina za, fa Anao no nampianatra ana.103Akôry ny hamamin'ny teninao raha nagnandramako, eny, mamy mandombolombo ny tintely amin'ny vavako!104 Amin'ny fampenaranao no ahaizako magnavaka; noho zany de halako ny lalan-diso daôly. NONA.105Jiro ho an'ny tongotro ary fagnazavana ho an'ny lalako ny teninao. 106Efa nifanta za ary namafisiko zany, fa hitandrina ny lalanao marina za.107Ory de ory za; velomo za, ry Yaveh, araka ze nolazainao tamin'ny teninao. 108Yaveh o, ekeo re ny fagnatitra an-tsitrapo ary amin'ny vavako, ary ampenaro ana ny didinao marina.109Akeo antagnako ny lalan-dava ny aignako, kanefa tsy mba magnadino ny lalanao za.110 Namelatra fandrika ho ana ny ratsy fagna, fa za kosa tsy mba hiala amin'ny lalanao.11Noraiketiko tato am-poko ny teninao mba tsy hanotako Aminao. 12Deraina Anao, ry Yaveh; ampianaro ny didinao za.111Ambarako ho lovako mandrakizay ny teny vavolombelonao zany no fifalen'ny foko.112 Tafiditra tanteraka amin'ny fankatoavana ny didinao mandrakariva ny foko. SAMEKA.113Halako reo miroaroa saigna, fa teko ny lalanao. 114Anao no tôrana fialokalofako sy ampingako; mandigny ny teninao za.115Mialà amina anreo mpagnano ratsy, mba hitandremako ny didin'Andriamanitro.116 Tohagno amin'ny alalan'ny teninao za mba ho velona ka tsy ho megnatra amin'ny fagnantenako.117Tohagno za, de hiadana; ka hisaintsaigna ny lalanao isan'andro vaky za. 118Lavinao reo ze maniasia niala amin'ny didinao, fa mpamitaka sady tsy azo itokisana regny ôla regny.119Alànao salan'ny taimpiraka ny ratsy fagna amin'ny tany daôly; noho zany de teko ny didinao masina. 120Mangitakitaky ny tatra Anao ny tegnako ary matatra ny lalanao masina za. AINA.121Magnano ze rariny sy marina za, aza mafoy ana ho aigny amin'ny mpampijaly ana.122 Ameo antoka ny fagnambinan'ny mpanomponao; aza avely hampahory ana ny mpirehareha.123Miha-reraka ny masoko akeo ampandignesana ny famonjenao sy ny teninao marina. 124Atorò ny mpanomponao ny famindramponao, ary ampianaro ana ny didinao.125Mpanomponao za; ameo fahazavan-tsaigna za mba ahaizako ny teny vavolombelonao. 126Fotôna hiasan'i Yaveh zao, fa nandika ny lalanao ny ôla.127Teko mandombolombo ny volamena ny didinao, mandombolombo ny volamena tegna tsara. 128Noho zany de arako tsara ny fampenaranao daôly ary halako ny lalam-pitaka daôly. PE.129Mahagaga ny fitsipikao, zany no antony hankatoavako an'reo. 130Ny fampibaribarina ny teninao no magnome fahazavana; magnome fahazavan-tsaina ho an'ze tsy nampenarina an'zany.13Tamin'ny vavako no nitoriko ny lala masina daoly ze natoronao. 14Miravoravo amin'ny lalan-didimpagnikenao mandombolombo ny harena daôly.131Sokafako midagnadagna ny vavako, fa magniry mafy ny didinao za. 132Mitode amina ary mamindra fo, araka ny ataonao isan'andro isan'andro am'reo ze te ny agnaranao.133Ampombao amin'ny teninao ny deko; aza avela hisy fahotana hanapaka amina. 134Avoto amin'ny fampijalen'ny olombelona za mba hitandremako ny fampenaranao.135Hampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao, ary ampenaro ana ny didinao.136 Ranomaso mandreka no mipotrapotraka amin'ny masoko satria tsy mitandrina ny lalanao ny ôla. TSADE.137Marina Anao, ry Yaveh, ary rariny ny didinao. 138Namenao am-pamarinana sy am-patokisana ny teny vavolombelonao.139Nandravaka ana ny hasosena satria magnadino ny teninao reo mpifaninana tamina. 140Efa vaozaha-toetra ny teninao, ary ten'ny mpanomponao zany.141Tsisy varany sady nambanina za ka nefa tsy mba magnadino ny fampenaranao. 142Marina mandrakizay ny fitsaranao, ary mendripitokisana ny lalanao.143Na de nahazo ana aza ny fahorena sy fangirifirina de mbola mamiko fogna ny didinao. 144Marina mandrakizay ny teny vavolombelonao; ameo fahazavan-tsaigna za mba ho velona. KOFA.145Nihaikaika tamin'ny foko manontolo za hoe: "Valeo za, ry Yaveh, de hitana ny lalanao.146 Magnantso an'nao za, vonjeo za, de hagnaja ny teny vavolombelonao."147Mifô alôn'ny magniran-dratsy za ary mihaika famonjena. Akaoamin'ny teninao ny fagnantenako. 148Mihiratra alôn'ny fiambesana alina ny masoko mba hisaintsignako ny teninao.149Mandrignesa ny feoko amin'ny famindramponao; velomo za, ry Yaveh, araka ny nolazainao tao amin'ny lalanao marina.150 Miha magnankeky ana reo ze magnenjika ana, nefa alavitra ny lalanao zareo.15Handinika ny fampenatanao za ka hitandrina reo lalanao. 16Mankafy ny didinao za; tsy hagnadino ny teninao. GIMELA.151Ankeky Anao, ry Yaveh, ary azo itokisana ny didinao daôly. 152Nianatra avy tamin'ny vavolombelonao ze napetrakao tamin'ny fitôrany mandrakizay hatry ny elabe za. RESY.153Zahao ny fahoreko ka ampeo za fa tsy mba magnadino ny lalanao za. 154Misolô vava ana ka avoto za, tano za, araka ze efa nolazainao tamin'ny teninao.155Alavitra an'reo ratsy fagna ny famonjena, fa tsy te ny didinao reo. 156Leibe ny famindram-ponao, ry Yaveh o; velomo za, araka ny ataonao isan'andro vaky.157Maro ny mpagnenjika ana sy ny favaloko, kanefa za tsy niala tamin'ny teny vavolombelonao. 158Mamparikoriko ny fijeriko an'reo mpamadika satria tsy nitandrina ny teninao zareo.159Akôry ny fitiavako ny fampenaranao velomo za, ry Yaveh, araka ny nampegnategnainao tamin'ny fagnikena matokinao. 160Fahamarinana no loharanon'ny teninao, maharitra mandrakizay ny lalanao marina isanisany. SINA.161Magnenjika ana amin'ny tsisy dikany reo andrena, mangorohoro ny foko, matatra sô de tsy hankatô ny teninao. 162Miravoravo amin'ny teninao salan'ny ôla raika nahazo babo leibe za.163Halako sady hamavoko ny fitaka fa teko ny lalanao. 164Impito isan'andro no hiderako Anao nohon'ny lalanao marina.165Fiadanana leibe no anagnan'reo ze te ny lalanao, tsisy matafitona an'azy reo. 166Mandigny ny famonjenao za, ry Yaveh, ary mankato ny didinao.167Magnaja ny didinao masina za ary teko lôtra reo. 168Mitana ny fampenaranao sy ny didinao masina za, fa fantatro ze ataoko daôly. TAV.169Mitainô ny hazo lava ataoko, ry Yaveh; ameo fahazavantsaigna akao amin'ny teninao za. 170Ho tonga akeo aminao ane ny fangatako ampeo za araka ny efa nolazainao tamin'ny teninao.17Magnanôva hatsaram-pagna amin'ny mpanomponao mba havelomako s hitandremako ny teninao. 18Sokafo ny masoko mba ahitako an'reo ra mahagaga amin'ny lalànao.171Hiboiboika fiderana ane ny molotro fa ampenarinao ana ny didinao. 172Oka ny lelako hihira ny amin'ny teninao, fa marina daôly ny didinao.173Hagnampy ana ane ny tagnanao, fa nifidy ny fampenaranao za. 174Magniry lôtra ny fagnavotanao za, ry Yaveh, ary ny lalanao no mamiko.175Ho velona ane za ka hidera an'nao, ary hagnampy ana ane ny lalanao marina. 176Efa nirenireny salan'ny ondry very za, karao ny mpanomponao fa tsy mba magnadino ny didinao.19Vahiny aty an-tany za; aza asitrika ana ny didinao. 20Torotoron'ny fitadiavana te hafantatra ny lalanao marina za.21Anao magnanatra ny mpirearea, ze voaozogna ka maniasia amin'ny didinao.22 Alao amin'ny fahafam-baraka sy henatra za fa efa nankato ny didinao za.23Na de magnano teti-dratsy ka magnendrikendrika ana aza reo mpanapaka, de misaintsaigna ny lalànao ny mpanomponao. 24Ny teni-vavolombelonao no mamiko indrindra, ary reo no manoli-tsaigna ana. DALETA.25Miosy amina'ny jofo ny aignako! Omeo fiaignana amin'ny teninao za. 26Nolazaiko taminao ny lalako, de namaly ana Anao; ampenaro ny didinao za.27Atôvo matakatra ny lalan'ny fampianaranao za, mba ahafako mandinika ny fampenaranao mahagaga. 28Voton'ny alahelo za! Atanjao amin'ny teninao za.29Alao hiala aminà ny lalam-pitaka; ampianro ana ampasoavana ny lalanao.30 Nofidiko ny lalan'ny fatokisana; efa nitandrina ny lalanao marina teo agnatreko mandrakariva za.31Reo didim-pagnikenao no ifikirako; Yaveh ô! aza avela hangasihasy za. 32Hiazakazaka akeo amin'ny lalan'ny didinao za, fa Anao no magnitatra ny foko hagnano an'zany. HE.33Ampianaro ny lalan'ny didinao za, Yaveh ô! de ho tandremako hatramin'ny farany zany.34 Ameo fahazavan-tsaigna za, de hitandrina ny lalànao zany no saintsaignako amin'ny foko raika manontolo.35Tarito amin'ny lalan'ny didinao za, fa mamiko ny mande am'zany. 36Ampombao amin'ny teny vavolombelonao ny foko mba ho alavitra ny harena tsy marina.37Ahodigno ny masoko tsy hitazagna zava-pogna; velomo amin'ny lalanao ndre za.38 Tanteraho ho an'ny mpanomponao ny fampanantenanao ze nolazainao tam'reo ze magnaja Anao.39Alao alavitry ny faniratsirana ze atao hôrako mafy, fa tsara ny fitsaranao marina.40 Nagniry mafy ny fampianaranao za; velomo amin'ny famarinanao za. VAO.41Yaveh ô, ameo ana ny fitiavanao tsy mety levona ny famonjenao araka ny fampagnantenanao; 42de ho valeko ny magnamavo ana, fa ny teninao no hitokiako.43Aza alana amin'ny vavako ny teny famarinana, fa efa nandigny ny lalanao marina za. 44Hitandrina ny lalanao hatraigny za, mandrakizay doria.45Hande ampilaminana za fa mikaraka ny fammpianaranao. 46Hilaza momba an'reo didinao masina akeo agnatren'ny reo mpanjaka za ka tsy ho megnatra.47Mamiko ny didinao ze teko lôtra.48 Hanondrotra ny tagnako ho amin'ny didinao, ze teko; handinika ny lalanao za. ZAINA.49Tsarôvo ny fampagnantegnanao tamin'ny mpanomponao satria namenao fagnantegnana za. 50Zao no fiononana ho ana amin'ny fahorenako de ny teninao no mbôla nahavelona ana.51Nagnesoeso ana ny mpirearea, kanefa tsy mba niala tamin'ny lalanao za. 52Nisaintsaigna momba ny lalanao marina za, ry Yaveh, ka mampahery ny tegnako.53Nitana mafy ana ny fahasosena mamay nohon'ny ratsy fagnà ze mandà ny lalànao.54 Reo didinao no nataoko an-jira amin'ny tragno ze ipetrako vetiketika fôgna.55Misaintsaigna ny agnaranao nakeka andro za; ry Yaveh, ka mitandrina ny lalànao. 56Zany no fahazarako satria nitandrina an'reo fampenaranao za. HETA.57Yaveh no anjarako efa nagneky hitandrina ny teninao za. 58Mikaraka mafy ny tegna sitrakao amin'ny foko manontolo za; miantrà ana araka ze nolazain'ny teninao.59Nandinika ny lalako za ary nampivily ny tongotro ho aigny amin'ny teny vavolombelonao. 60Mande malaky za sady tsy mivagnavagna amin'ny fitandremana ny didinao.61Namingotra ana ny tadin'ny ratsy fagna; fa mbôla tsarôvako ny didinao. 62Amin'ny sasak'alina no hifoazako hagnome fisaorana Anao nohon'ny lalanao marina.63Naman'ze magnaja Anao za sy ze mitandrina ny didinao. 64Rakotry ny famindramponao ny tany, ry Yaveh; ampianaro ny didinao za. TETA.65Nagnano soa tamin'ny mpanomponao Anao, ry Yaveh, tamin'ny alaln'ny teninao.66 Ampenaro ana ny fahaiza-magnavaka ny tsara sy fahazavan-tsaina, fa nino ny didinao za.67Talôn'ny nampahorena ana de naniasia za fa am'zao de mitandrina ny teninao za. 68Tsara Anao, ary Anao le mpagnano ny tsara, ampianaro ny didinao za.69Namingotra ana tamin'ny lainga ny mpiavognavogna, nefa nitandrina ny didinao tamin'ny foko manontolo za. 70Mihamafy ny fon-jareo, fa za kosa ny lalanao no mamiko.71Nanjary mintsy za mijaly mba ahaizako ny didinao. 72Ny fampenarana avy amin'ny vavanao de sarobidy mandombolombo ny volamena sy volafotsy madinika amin'andrivony ho ana. JODA.73Ny tagnanao no nagnano sy namolavola ana; ameo fahazavan-tsaigna za mba hianarako ny didinao. 74Reo ze magnaja Anao de ho faly raha mahita ana satria amin'ny teninao no ahitako fagnantenana.75Fantatro, ry Yaveh, fa marina ny lalanao, any tamin'ny fahatokisana no nampijakenao ana. 76Oka ny famindramponao no hampaery ana araka ny nolazainao tamin'ny mpanomponao.77Atorò ana ny famindramponao mba ho velona za, fa ny lalanao no mamiko. 78Oka ho megnatra ny mpirehareha, fa nagnendrikendrika ana zareo; fa za kosa de hisaintsaigna ny didinao.79Hitodika amina ane reo ze magnaja Anao de ze mafantatra ny teni-vavolombelonao. 80Tsy hisy tsiny ane ny foko nohon'ny lalàna mba tsy ho megnatra za. KAFA.81Ketraka ny mandigny ny hamonjena ana za! Akao amin'ny teninao no anagnako fagnantenana.82 Magniry mafy hahita ny fampagnantenanao ny masoko am'vena Anao no hampionona ana?83Fa salan'ny sinin-divay hodidtra agnaty setroka za; fa tsy mba magnadino ny lalanao za. 84Mandrapa ovena no hiaretan'ny mpanomponao an'zao; vena Anao vao hitsara an'reo ze nagnenjika ana?85Nangady lavaka ho ana ny mpireareha, sady nandà ny lalanao. 86Azo ianteherana ny didinao; magnenjika ana amin'ny tsisy dikany reo ola reo; vonjeo za.87Efa saika nanapitra ny aignako taty an-tany zareo fa za kosa tsy mba mahafoy ny didinao. 88Amin'ny fitiavanao marina, de velomo za, mba hankatoavako ny didinao. LAMEDA.89Yaveh o!, maharitra mandrakizay ny teninao miorena mafy aigny an-dagnitra ny teninao. 90Maharitra ho an'ny taranaka daôly ny fatokisanao; Anao no nagnorina ny tany, de nisy zany.91Mitohy mandrak'zao ny ra daôly, araka ze voalazanao akao amin'ny fitsipikao, fa mpanomponao ny ra daôly. 92Raha tsy sitrakao ny didinao de efa matin'ny fahoreko za ôtr'zay.93Tadidiko mandrakariva ny fampenaranao, fa tam'zany no namelomanao ana. 94Anao za, vonjeo za, fa mikaraka ny fampenaranao.95Mivognona hamotika anà ny ratsy fagna, fa za kosa mikaraka ny hafantatra ny teny vavolombelonao. 96Hitako fa misy farany ny ra daôly, fa malalaka tsisy fetra ny didinao. MEMA.97Endrey ny fitiavako ny lalanao! Zany no saintsaigniko magnariva andro. 98Mapahendry ana mandombolombo an'reo fahavaloko ny didinao, fa miaraka amina isan'andro vaky ny didinao.99Managna fazavan-tsaigna mandombolombo an'reo mpampianatro daôly za, fa misaintsaigna ny teny vavolombelonao.100 Mafantatra mandombolombo an'reo ôlageda za; satria mitandrina an'reo fampenaranao za.
Chapter 12Ho an'ny mpiventy hira; atao Al_hasheminith. Salamo nataon'i Davida.

1 Vonjeo, Yaveh ô, fa Tsisy ntsony ny tsara fagna, nanjavona ny mahatoky.2Ny ôla daôly miteniteny fogna am'namany ; ny ôla daôly mitare am'molotra mandoka sy fo miròrò.3 Yaveh ô, fongoro reo molotra mpetsaravelatsihy, ny lela daôly ze magnambara ra_goavana.4 Reo de ze efa nitare hoe:"An'lelany no nahatonga an'ny handresy . Raha mitare ny molotray , iza no afaka ho mpanapaka akeo aminay?"5Noho ny herisetra atao am'malahelo , noho ny senton'ny mahantra, de hitsangana za,"ozy Yaveh . Hagnome filaminana ho an'ze tegna irinjareo za."6Teny madio ny tenin'i Yaveh , salan'ny volafotsy vôrendrika im_pito, tagnaty lafaoron'ny tany.7 Anao no Yaveh ! mitahiry an'njareo Anao. Miaro ny ôla masina am'zao taranaka ratsy fagna zao mandrakizay anao. 8Mandeha na aiza na aiza ny ratsy fagna rafa asandratra am'zanak'olombelona .
Chapter 120

1Hira fiakarana. Tamin'ny andro nampahory ana de nagnantso an'i Yaveh za, namaly ana Izy. 2Avoto ny aignako, ry Yaveh, am'reo mandainga amin'ny molony ary mandiso fagnantenana amin'ny lelany.3Manakôry ny fomba hagnasazény an'nareo, ary ino no mbola hataony an'nareo, anareo ze manana lela mpandainga? 4Ho saziny amin'ny zanatsipikan'ny mpiady ze norangitina tamin'ny vainkafon'anjavidy anareo.5Lozako fa nipetraka tsy naharitra tao Maseka za; nipetraka tao amin'ny lain'ny kedarita za talô. 6Efa niaigna ela niaraka tam'reo ze tsy te filaminana za. 7Za de te filaminana, nefa rafa mitare za, de ho amin'ny ady zareo.
Chapter 121

1Hira fiakarana. Hanompy ny masoko aigny an-tendrombotra za. Avy akaiza anga ny famonjena ana? 2Ny famonjena ana de avy amin'i Yaveh, ze nahary ny tany sy ny lagnitra.3Izy de tsy hamela ny tongotrao hibolisatra; Izy ze miaro an'nao de tsy ho rendremana.4 Indro, ny mpiandry ny Israely tsy mba rendremana mintsy na matory.5Yaveh no mpiandry an'nao; Yaveh no aloka akeo amin'ny tagnanao ankavanana. 6Tsy handratra an'nao ny masoandro raha antoandro, na ny volana raha amin'ny alina.7Yaveh hiaro an'nao amin'ny loza daôly, ary hiaro ny aignanao Izy. 8Yaveh hiaro an'nao amin'ny ra daôly ataonao gniany ka ho mandrakizay.
Chapter 122

1Hira fiakarana, nataon'i Davida. Faly za rafa nilaza taminà zareo hoe: "Andao tsika hankao an-dragnon'i Yaveh." 2Ry Jerosalema, tonga akato agnatin'ny vavahadinao ny tongotray! 3Ry Jerosalema, ze namboarina ôtran'ny tanàna vôlamina tsara!4Reo fokon'i Yaveh niakatra taigny Jerosalema de reo firenen'i Yaveh, lalàna ho an'ny Israely, zany mba hisaorana ny agnaran'i Yaveh. 5Napetraka taigny reo seza fiandrianan'ny fitsarana de ny seza fiandrianan'ny taranak'i Davida.6Mivavaha ho amin'ny fiadanan'i Jerosalema! "Oka hanampiadanana ze tenao.7 Oka hisy fiadanana akao am'reo manda ze miaro an'nao, ôka izy reo hanagna fiadanana akao amin'ny fiarovanao mafy."8Ho an'reo rahalako sy reo namako de hiteny za hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana." 9Noho ny amin'ny tragnon'i Yaveh Andriamanitsika, de hikaraka an'ze mahasoa an'nareo za.
Chapter 123

1Fihirana fiakarana. Aminao no hanandratako ny masoko. Anao ze mipetraka akeo amin'ny seza fiandrianana aigny an-dagnitra. 2Indro fa mijery ny tagnan'ny tompony ny mason'reo mpanompo lahy, na mizaha ny tagnan'ny tompovaviny ny mason'reo mpanompovaviny, de mijery an'i Jehovah Andriamanitsika ny masontsika mandrapamindrany fo amintsika.3Manàgna famindrampo aminay, Yaveh o, mamindra fo aminay fa feno fafafambaraka zahay.4 Mandombolombo mihôtra lavitra nohon'ny feno fagneson'ny mpagnivaiva sy mpagnamavon'ny mpirearea zahay.
Chapter 124

1Fihirana fiakarana; nataon'i Davida. "Raha tsy teo agnilantsika Yaveh," de ôka Israely hiteny hoe: 2"raha tsy Yaveh no teo agnilantsika refa mitsangana hamely antsika ny ôla, 3de natelgny velonatsika refa niretra tamintsika ny hasoseny.4Mety efa difotry rano tsika; ary nanafatra antsika ny reka.5 Avy takao ny rano magnonja mafy nafaty antsika."6Isaorana anie Yaveh, le tsy namela antsika ho lenin'nifinjareo. 7Afaka nilefa salan'ny voro melala amin'ny fandrik'reo mpihaza tsika; naratra le fandrika, ary afaka nilefa tsika.8Akao amin'i Yaveh ze nahary ny lagnitra sy tany no famonjena antsika.
Chapter 125

1Fihirana fiakarana. Reo ze matoky an'i Yaveh de ôtran'ny tendrombotra Ziona, tsy voahozongozogna, maharitra mandrakizay.2 Ôtran'reo tendrombotra magnodidigna an'i Jerosalema, no agnodidignan'i Jehovah ny vahôkany am'zao ka ho mandrakizay. 3Tsy tokony hanjaka akao amin'ny tanin'ny marina ny tehim-panjakan'ny faharatsena. Raha tsy zany de mety hagnano ratsy ny ôlo-marina.4Yaveh ô! magnanova soa am'reo ze tsara sy reo ze mahitsy akao am-pony. 5Fa raha ny am'reo ze miala amin'ny fahazavandratsin-jareo kosa, de hitarika an'azy reo alavitra an'reo mpagnano ratsy Yaveh. Ho amin'i Israely anie ny fiadananao.
Chapter 126

1Fihirana fiankarana. Tam'Yaveh nampody ny haren'i Ziona, de salan'ny nagnofy tsika.2De feno fimehezana ny vavantsika ary hira ny lelantsika. De ozy zareo tam'reo firenena hoe: "Nagnano zava-deibe ho an'azy reo Yaveh." 3Nagnano ra ngezabe ho antsika Yaveh; de akory zany hafalenay!4Yaveh o, averegno ny harenanay, ôtran'ny reka akao Negeva. 5Ze mamafy amin'ny ranomaso de hijinja amin'ny fifalena. 6Ze mivôka mitomagny, mitondra voa afafy, de hiverigna ndre amin'ny fifalina, mitondra ny amboarany miaraka amin'azy.
Chapter 127

1Fihirana fiakarana, nataon'i Solomona. Raha tsy Yaveh no magnorina ny tragno de miasa fôgna ny mpagnano an'zany. Rafa tsy Yaveh no miambina ny tanana de reraka fôgna ny mpiambina. 2Zava-pôgna ho an'nareo ny mifô ampôlakeka, sy tara fodena aigny an-dragno, na hinana ny mofo azo amin'ny asa mafy, fa Yaveh de hagnome an'zany ho an'ny malalany na de matory zareo.3De lova avy amin'i Yaveh ny zanaka, ary tambiny avy Aminazy ny ateraky ny kibo.4 Salan'ny zanatsipika aigny antagnan'ny mpiady, de salan'zany ko reo zanaky ny fatanorana. 5Sambatra ny ôla ze managna ny tragnon'zana-tsipikany feno an'regny. Tsy ho megnatra izy refa miatrika ny an'reo fahavalony akeo am-bavahady.
Chapter 128

1Fihirana fiakarana. Sambatra ze magnome voninatra an'i Yaveh, ze mande amin'n lalany.2 Ze azon'ny tagnanao, de ankafizinao; ho sambatra sy ambinina anao.3Ho salan'ny voaloboka mamokatra akao an-dragnonao ny vadinao; ho salan'ny zanak'oliva reo zanakao raha mipetraka magnodidigna ny latabatrao. 4Eny, ho sambatra tokôtra ny ôla ze magnome voninatra an'i Yaveh. 5Hitaha an'nao avy aigny Ziona anie Yaveh; atazagna ny fagnambinan'i Jerosalema mandritra ny androm-piaignanao daôly ane anao. 6Ho ela velona anie anao mba hatazagna an'reo zafinao. Ho amin'i Israely anie ny fiadanana.
Chapter 129

1Fihirana fiakarana. Oka Israely hiteny hoe: "Matetika tamin'ny fatanorako de nanafika ana zareo." 2"Matetika tamin'ny fatanorako de nanafika ana zareo, nefa tsy naresy ana zareo. 3Nangady ny lakamboko reo mpiasatany; nalavain'jareo ny vava asany.4Marina Yaveh; nanapaka ny tadin'le ratsy Izy." 5Oka ho megnatra daôly zareo ary hiamboho, de ze makahala an'i Ziona.6Ho salan'ny ahita aigny an-tampon-tragno ze malazo melô ny hitobony zany ane zareo, 7ze tsy afaka mameno ny tagnan'ny mpandidy na ny tratran'ze mamatotra amboara. 8Oka ze mandalo tsy hiteny hoe: "Oka ho aminao ny tso-dranon'i Yaveh; mitso-drano an'nao amin'ny agnaran'i Yaveh zahay."
Chapter 13

1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Mandrak'ovena , Yaveh ô ,no hagnadinònao ny momba anà? mandrak'ovena anao no hagnafina ny tavanao aminà?. 2Mandrak'ovena no tsy maintsy hatahôrako sy hanagnako alaelo agnaty isan'andro ? mandrak'ovena no handresen'ny fahavaloko anà?3Jereo za ary Valeo, ry Yaveh Andriamanitro! Ataovo mahiratra ny masoko, ndraindray za ho renoka akao am'fahafatesana.4 Ny fahavaloko aza avela hitare hoe:"efa nandavo an'azy za," mba tsy hahafahany mitare hoe:"efa nandresy ny rafiko za"; raha tsy zany, de hifaly reo fahavaloko rafa lavo za.5Matoky ny famindramponao za; mifaly am'famonjenao ny foko.6 Hihira ho an'i Yaveh za satria tegna nalala tagnana tamina izy.
Chapter 130

1Fihirana fiakarana. Nagnantso Anao tao agnatin'ny laligna za, ry Yaveh. 2Tompo o! tainô ny feoko; ôka ny sofignao hitaino tsara ny fiangaveko famindram-po.3Anao ry Yaveh raha mandinika fahotana, Tompo o, de iza no tafajanona? 4Fa misy famelankeloka akao aminao mba hagnajana Anao.5Mandigny an'i Yaveh za, mandigny ny faganako, ary magnantegna akao amin'ny teniny. 6Mandigny ny Tompo mandombolombo ny mpiambina mandigny andro keka ny fagnako.7Ry Israely, magnantena an'i Yaveh. Mpamindra fo Yaveh, ary tegna vognona hamela heloka Izy. 8Izy no hagnavotra ny Israely am'reo fahotany daôly.
Chapter 131

1Fihirana fiankarana; nataon'i Davida. Yaveh ô! tsy mireare ny foko na miavognavogna ny masoko tsy managna fanantenana ngeda ho an'ny tegnako za na miahiahy ny tegnako am'ze tsy haiko.2Fa nampionona sy nampangigna ny fagnako tokôtra za salan'ny zaza nisara-nono tamin'ny reniny, ny fagnako akato agnatiko de otran'ny zaza nisaran-nono. 3Ry Israely, magnantena an'i Yaveh am'zao ka ho mandrakizay.
Chapter 132

1Fihirana fiakarana. Yaveh ô! nohon'ny ny amin'i Davida de tsarôvo reo fahoreny daôly.2 Tsarôvo ny fomba niaignany tamin'i Yaveh, ny fomba nagnanôvany voady tam'le Maherin'i Jakoba.3Ozy izy hoe: "Tsy hiditra ny tragnoko za na hankao am-parafarako, 4tsy hagnome torimaso ny masoko za na fiadan-dreraka ho an'ny odimasoko 5mandra-pahitako tôrana ho an'i Yaveh, de tabernakely ho an'le Maherin'i Jakoba."6Efa nregny an'zany taigny Efratra zahay, nahita an'zany taigny amin'ny sahan'i Jara zahay. 7Hande ho aigny amin'ny tabernakelin'Andriamanitra zahay hidera akeo amin'ny fitôran-tongony zahay. 8Mitsangàna, ry Yaveh ô! akeo amin'ny toeram-pialan-tsasatrao Anao sy ny fiaran'ny herinao!9Ho ampiakanjona fahamarinana anie reo mpisorognao hiaika fifalena ane reo matoky Anao. 10Noho ny am'Davida mpanomponao, de aza miala amin'ny mpanjaka voahosotrao.11Nagnano voady azo antoka tamin'Davida i Yaveh, fifantana azo antoka ze tsy ho foagnany ny hoe: "Hametraka raika am'reo taranakao ho akeo amin'ny seza fiandriananao Za. 12Raha mitana ny fagnikeko sy reo lalàna ze nampenariko reo zanakao lahy, de hipetraka akeo amin'ny seza fiandriananao mandrakizay mandrakizay ko ny zanak'izy reo.13Efa nifidy an'i Ziona i Yaveh, nagniry an'azy ho fitôrany Izy. 14"Ty no tôrana fitsaharako mandrakizay. Hipetraka aketo Za, fa nagniry an'azy.15Ho tahiko amin'ny famatsena maro de maro izy. Ameko fahafampo amin'ny mofo ny mahantra akao. 16Hampiakanjôko famonjena reo mpisorogny, hiaika fifalena reo mahatoky.17Aigny no agnanovako tandroka hitsimoko ho an'i Davida sy hametraka jiro ho an'ny ôlo-mboahosotro. 18Hampiakanjôko hegnatra reo fahavalony, fa akeo amin'azy kosa no hamirapiratra ny satroboninatrany."
Chapter 133Fahirana fiakarana, nataon'i Davida.

1De akory fa tsara sy mafinaritra ny mpirahalà miara-monina!2Salan'ny diloilo tsara amin'ny loha aidigna akeo amin'ny volom-bava zany, de ny volombavan'i Arona, ary de mitsororika amin'ny moro tongony ny akanjo tohi-tegnany zany. 3Salan'ny andon'i Hermona ze miraraka amin'ny tendrombotra Ziona zany. Fa teo no nandidian'i Yaveh ny fitahina, de ny fiainana mandrakizay.
Chapter 134

1Fihirana fiakarana. Ave, misaotra an'i Yaveh, anareo mpanompon'i Yaveh daôly anareo ze manompo mandritra ny alina akao an-dragnon'i Yaveh. 2Asondroto aigny am'le fitôrana masina ny tagnanareo ka misaora an'i Yaveh.3Hitahy an'nareo avy aigny Ziona anie Yaveh, Izy ze nahary ny lagnitra sy ny tany.
Chapter 135

1Miderà an'i Yaveh. Miderà ny agnaran'i Yaveh. Miderà Anazy, anareo ry mpanompon'i Yaveh, 2anareo ze mitsangana akao an-dragnon'i Yaveh, akao an-kianjan'ny tragnon'Andriamanitrika.3Miderà an'i Yaveh, fa tsara Izy; mihirà fiderana ho an'ny agnarany fa mafinaritra ny magnano an'zany. 4Fa nifidy an'i Jakoba ho an'ny tegnany Yaveh, ary Israely ho fanagnany.5Fantatro fa leibe Yaveh, ary ambonin'ny Andriamanitra daôly ny Tompontsika. 6Na ino na ino irin'i Yaveh, de ataony aigny an-dagnitra sy aketo an-tany, sy aigny am'reo rano masina sy rano laligna daôly.7Mitondra ny rôndro avy aigny alavitra Izy, magnano tsela-pazavana miaraka amin'ny ranon'orana ary mamôka ny rivotra avy akao amin'ny tragno fitahirizany.8Namono ny vôlôn-terak'i Egypta Izy, na an'ôla na biby. 9Nandefa famatarana sy fagagana teo ampovônao Izy, ry Egypta, namely an'i Farao sy reo mpanompony daôly.10Nanafika firenena maro sy namono mpanjaka mahery Izy, 11de Sihona mpanjakan'ny Amorita sy Oga mpanjakan'i Basana ary reo fanjakana daôly tao kanàna.12Nameny antsika ho lova ny tanin-jareo, lova ho an'Israely vahôkany. 13Ny agnaranao, ry Yaveh de maharitra mandrakizay; ny lazanao ry Yaveh de maharitra magnerana ny taranaka daôly.14Fa miaro ny vahôkany Yaveh ary managna fangoram-po am'reo mpanompony. 15Ny sampin'reo firenena de volafotey sy volamena, asan'ny tagnan'ola. 16Manam-bava reo, fa tsy miteny; mana maso, fa tsy mahita;17 manan-tsofigna izy reo, fa tsy maregny; ary tsisy fofon'aigna akao am'bavany. 18Ze magnano an'azy no itovizany, salan'ny ôla daôly ze mitoky amin'izy reo.19Ry taranak'Israely, misaora an'i Yaveh; ry taranak'i Arona, misaora an'i Yaveh. 20Ry taranak'i Levy, misora an'i Yaveh; anareo ze magnano voninatra an'i Yaveh misaora an'i Yaveh. 21Isaorana ane Yaveh aigny Ziona, Izy ze mipetraka aigny Jerosalema. Miderà an'i Yaveh.
Chapter 136

1Manolora fisaorana ho an'i Yaveh; fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindrampony. 2Manolora fisaorana ho an'Andriamanitr'reo andriamanitra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.3 Manolora fisaorana ho an'ny Tompon'ny tompo, fa maharitra mandrakizay ny famindra-pony.4Manolora fisaorana ho an'Azy fa Izy rerika fogna no magnano fagagana leibe, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony;5 tamin-pahendrena no nagnanôvany ny lanitra fa mandrakizay ny famindram-pony.6Manolora fisaorana ho an'Azy le mamelatra ny tany ambonin'ny rano, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony;7 ho an'Azy le nagnano fahazavana lehibe, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.8Manolora fisaorana ho an'Azy le magnome ny masoandro mba hagnazava amin'ny andro, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony; 9ny volana sy ny kitana mba hagnazava amin'ny alina fa mandrakizay ny famindram-pony.10Manolora fisaorana ho an'Azy le namono ny lahimaton'i Egypta, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony; 11ary nitondra an'Israely nivôka avy tao amin'izy reo, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony; 12tamin'ny tagnana mahery sy nisandratra fa maharitra andrakizay ny famindram-pony.13Manolora fisaorana ho an'Azy le nampizara ny Ranomasina Mena, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony; 14sy nampitsaka an'Israely teo agnelagnelan'zany, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony; 15fa kosa nagnary an'i Farao sy ny tafigny tao amin'ny Ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindram-pony.16Manolora fisaorana ho an'Azy le nitarika ny ôlony taigny agn'efitra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony, 17sy ho an'le namono reo mpanjaka leibe, fa haritra mandrakizay ny famindram-pony.18Manolora fisaorana ho an'Azy le namono an'reo mpanjaka malaza, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony, 19de i Sihona mpanjakan'ny Amorita fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony; 20sy Oga mpanjakan'i Basana, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.21Manolora fisaorana ho an'Azy le nagnome ny tenin'jareo ho lova, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony; 22de lova ho an'Israely mpanompony, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony; 23ho an'Azy le natsaro antsika sy namonjy antsika tamin'ny fangalam-baraka fa maharitra mmandrakizay ny famindram-pony.24Manolora fisaorana ho an'Azy le efa nagnome fandresena antsika teo am'reo fahavalontsika, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony; 25de le nagname ahanina ho an'ny ra managn'aigna daôly, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 26Manolora fisaorana ho an'Andriamanitry ny lanitra, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Chapter 137

1Teo amorogn'ny reniranon'ny Babylona zahay no nipetraka sy nitomagny raha natsaro ny amin'i Ziona. 2Takeo amin'ny kakazo malaelo no nagnantognanay an'reo valenay taigny.3Taigny no nangatan'reo mpambabo an'nay hihira, ary reo ze nagneso an'nay de nangataka an'nay mba hifaly, nagnano hoe: "Magnanova hira raika am'reo hiran'i Ziona ho an'nay." 4Manakory no ahafahanay magnano ny hira momba an'i Yaveh aty amin'ny tany hafa?5Raha magnadino ny fatsarovana an'nao za, ry Jerosalema, de ôka tsy havita hitendry ny tagnako ankavanana. 6Oka ny lelako hipetaka amin'ny lagnilagniko raha toa ka tsy mieritreritra an'nao za, raha tsy te an'i Jerosalema mandombolombo an'reo ankafiziko za.7Tsarôvo, ry Yaveh, ze nataon'reo Edomita tamin'ny andro naharava an'i Jerosalema. Ozy zareo hoe: "Potipoteho zany, ravao hatraigny amin'ny fakany."8Ry zanaka vavin'i Babylona, tsy ela de ho rava; ôka ho tahina ny ôla ze mamaly ny am'ze efa nataonao an'nay. 9Hotahina ane ny ôla, ze miaka ary manorotoro ny zanakao amin'ny vatolampy.
Chapter 138

1Salamo nataon'ny Davida. Hisaotra Anao amin'ny foko daôly za; akeo agnatrehan'reo andriamanitra no hihiriko fiderana fiderana ho Anao. 2Hiankoka akeo amin'ny tempolinao masina za ary hisaotra ny agnaranao ho an'ny famindram-ponao sy ny amin'ny fahamarinanao. Nagnano ny teninao sy ny agnaranao ho ambonin'ny ra daôly Anao.3Tamin'ny andro nagnatsovako Anao de namaly ana Anao nampahery sy nampatanjaka ny fagnako Anao. 4Hanolotra fisaorana ho Anao sy ny mpanjakan'ny tany daôly, ry Yaveh, fa haregny ny teny avy amin'ny vavanao zareo.5Hihira ny asan'i Yaveh tokôtra zareo fa leibe ny voninahitr'i Yaveh. 6Fa na de agnambo aza Yaveh de mbola mitsinjo ny magnetry tegna, fa ny mpireareha kosa de fantany avy aigny alavitra.7Na de mande aigny ampovôn'ny loza aza za, de hiaro ny aignako Anao; hagninjitra ny tagnanao hamaly ny fasosen'reo fahavaloko Anao, ary hamonjy ana ny tagnanao ankavanana. 8Momba ana hatramin'ny farany Yaveh; ny famindram-ponao, ry Yaveh, de maharitra mandrakizay. Aza mahafoy an'reo ze nataon'ny tegnanao.
Chapter 139

1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ry Yaveh, efa nandinika ana Anao, ka de fantatro za. 2Fantatrao za nefa mipetraka na mitsangana; takatrao avy aigny alavitra ny fisaignako.3Mandinika ny lalako sy ny fomba fandreko Anao; mafantatra tsara an'reo lalao daôly Anao.4 Fa mialôn'ny hisin'ny teny akeo amin'ny lelako de fantatrao tanteraka zany, ry Yaveh. 5Magnodidigna akeo alôko sy afarako Anao, ary mametraka ny tagnanao aminà. 6Ny falalana salan'zany de sarotra aminà, sady agnambo lôtra, ka tsy takatro.7Aiza no ialako amin'ny fanahinao? Aiza no ahafako milefa ny fagnatrenao? 8Raha miakatra aigny an'dagnitra za, de aigny Anao; raha magnano ny fandrenako aigny amin'ny fiaignan-tsy hita za, de io, fa mbola aigny ko Anao.9Raha magnembagna amin'ny elatry ny ampolakeka aza za ary mande mba hipetraka aigny amin'ny faran'ny ranomasina, 10ary na de aigny aza de mbôla hitarika anà ny tagnano, ary ny tagnanao ankavanana no hitana ana.11Raha miteny za hoe: "Hanarogna ana ny aizigna ary ny hazavana ho tonga alina magnodidigna anà," 12na ny aizigna aza de tsy ho maizigna aminao. Ary ny alina hazava salan'ny andro, fa aminao de mitovy ny haizigna sy ny hazavana.13Anao no namorona ny tao agnatiko; noforoninao tao an-kibon-dreniko za. 14Hidera Anao za, fa mahamagnana ny nagnonôvana anà. Fantatry ny fagnako tsara tokôtra zany.15Tsy nisitrika taminao ny taolako tam'za tao amin'ny takona, tam'za novolavolaina taigny ambanin'ny tany. 16Efa nahita anà tao am-bohoka Anao, ary ny andro ze vôtondro ho ana de efa voasoratra agnatin'ny bokinao na de mbôla tsy nitranga aza ny vôlôny.17Akôry ny hasarobidin'ny fiheveranao anà, Andriamanitra ô! Akory ny habetsan'ny fitambaran'izy reo! 18Raha andramako zany de betsaka nohon'ny fasika, raha mifô za, de mbôla miaraka Aminao fôgna.19Raha mamono ny ratsy fagna Anao, ry Andriamanitra ô!; mialà aminà, anareo ry ôla maherisetra. 20Mikomy Aminao zareo ary milaza am-pitaka; milaza lainga reo fahavalonao.21Anga ma tsy hankahala an'ze mankahala Anao za, ry Yaveh? Ka tsy hagnamavo an'reo ze mitsangana hanotra Anao za? 22Mankahala an'azy regny tanteraka za; efa tonga fahavaloko izy regny.23Zahao za, Andriamanitra o! ary fantaro ny foko; zahao toetra za ary fantaro ny fisaignako.24 Jerevo raha misy fahazaran-dratsy akato agnatiko, ary tarito amin'ny lalana mandrakizay za.
Chapter 14Ho an'ny mpiventy hira . Salamo nataon'i Davida.

1 Ny adala mieritreritra hoe:"tsisy Andriamanitro". Ratsy toetra zareo ary efa nagnano fahotana mahafaty; tsisy na de raika mihintsy magnano tsara.2Mondrika mitazagna ny zanak'olombelona avy aigny am'lagnitra Yaveh mba hizaha raha misy mahatakatra, ze mikarakara an'azy . 3Samby efa nivily lalana daôly izy daôly. Samby ratsy toetra daôly. Tsisy magnano ny tsara, na de raika aza.4Tsy mahafantatra na ino na ino ma izy reo, ze mpagnano ratsy , ze mihinana ny ôla anà salan'ny fihinanany mofo, kanefa tsy magnantso an'i Yaveh?5Mangitakitaky ny tahotra zareo , satria Andriamanitra de momba ny fiangonana marina!6 Anao magniry ny hampamegnatra ny ôla mahantra na de Yaveh aza ny fialofany.7Ndreo, zany famonjena ny israely zany de ho avy akaigny ziona! raha mitondra ny vahôkany avy akaigny am'fahababôna Yaveh, de ho ravo i Yaveh, de ho ravo i Jakoba ary ho faly ny Israely daôly!
Chapter 140

1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Yaveh o, vonjeo amin'ny ratsy fagnà za; arôvo amin'ny ôla maherisetra za.2 Mihevi-dratsy akao am-pony zareo, manangana ady isan'andro vaky zareo.3 Mandratra ôtran'ny bibilava ny lelany; ny poizin'ny menaragna no akeo amin'ny molony. Sela4Arôvo amin'ny tegnan'ny retsy fagna za, ry Yaveh; arôvo amin'ny ôla maherisetra ze mikasa hamandrika anà za. 5Efa nametaka fandrika ho ana ny mpireareha; efa namelatra harato zareo; efa nametraka fandrika ho ana zareo. Sela6Ozy za tam'i Yaveh: "Andrimanitro Anao; mitainô ny tomagnim-piantrana." 7Ry Yaveh, Tompoko o, afaka mamonjy ana mintsy Anao; miaro ny lôko amin'ny andron'ny ady Anao. 8Ry Yaveh, aza mamaly ny fagnirin'ny ratsy fagnà; ôka tsy ho vagnona ny fikasan-dratsin-jareo. Sela9Reo ze magnodidigna anà ka mampitraka ny lôhany avilay ny ankasomparana akeo amin'ny molony no hanarogna an'azy reo. 10Oka hisy vain-kafo hilatsaka akao aminazy, atsipazo akao agnaty afo zareo, de akao amin'ny lavaka mangolokoloko, ka tsy ho tafarina mitsy. 11Tsy mba hoandry fahalemana ambonin'ny tany anie ny ôla basivava; ny loza anie hihaza ny leilà mahery setra mba hamelasany anazy ho foaty.12Fantatro fa hitsara ny mahantra amin'ny indrafo i Yaveh, ary hagnome rariny ny ory.13 Azo antoka fa ny ôla marina de hisaotra ny Agnaranao; hiaigna akeo agnatrenao ny ôla mahitsy.
Chapter 141

1Salamo nataon'i Davida. Ry Yaveh, mitaraigna Aminao za; malaky tongava aty aminà. Tainô za raha magnantso Anao. 2Ho salan'ny didinkakazo magnitra ane ny fivavako akeo agnatrenao; ho salan'ny sorogna harivariva ane ny fanandratako ny tagnako.3Yaveh ô! aseo mpiambina akeo amin'ny vavako; ambeso ny varavaragn'ny molotro.4 Aza avela hitsiriritra ra ratsy ny foko na handray anjara amin'ny asam-pahotana miaraka amin'ny ôla ze managna fitondran-tegna ratsy. Aza avela hinana reo hanim-pinan'jareo za.5Avelao ny ôlo-marina hanisy ana; falemem-panahy amiko zany. Oka hanitsy ana izy; ho toy ny diloilo eo amin'ny lohako izany; aoka ny lohako tsy handa fa hanaiky. 6Fa ny fitiavako de manohitra ny asa ratsin-jareo isan'androvaky. hatsipy avy aigny antampon'ny hantsagna reo mpitarika an'azy reo; ho regnin-jareo fa ny teniko de mafinaritra. 7De hilaza izy reo hoe: "Salan'ny ôla miasa tany sy mamotika bainga amin'ny saha no efa nanapana ny tôlagnay taigny am-bavan'ny fiaignan-tsy hita."8Aminao tokôtra ny masoko, ry Yaveh, Tompo o! akao Aminao no ialokalofako; aza mamela ny fagnako tsy hisy mpiaro. 9Arôvo am'reo fandrika ze efa navelatr'izy reo za de amin'ny fandriky ny mpagnano ratsy. 10Oka ny ratsy fagnà fôgna no ho lavo amin'ny haratony fa za afaka milefa fogna.
Chapter 142

1Maskilan'i Davida, raha tao agnaty lavka izy; Vavaka. Amin'ny feoko no itaraignako famonjena amin'i Yaveh; amin'ny feoko no iangaveko ny fankasitran'i Yaveh. 2Loarako akeo agnolônany ny fitaraignako; lazaiko aminazy ny fahorena mahazo ana.3Raha reraka agnaty ny fagnako, de Anao no mahay ny lalako. Akeo amin'ny lalana ze ombako no nanitrin-jareo reo fandrika ho ana.4 Mijery ny ankavanako za ary mahita fa tsisy ôla miraharaha anà, tsisy irika ilefasako, tsisy ôla miraharaha ny fiaignako. 5Nagnantso mafy Anao za, ry Yaveh; ka nagnano hoe: "Anao no fialokalofako, anjarako akeo amin'ny tamin'ny velona.6Tainô ny fagnentsovako, fa efa nambanina lôatra za, vonjeo amin'ny mpangnenjika ana za, fa mahery noho za zareo. 7Avoaho akeo amin'ny tragno maizigna ny fagnako mba asahôko manolotra fisaorana ho an'ny agnaranao. Hitangorogna magnodidigna ana ny ôlo-marina satria Anao no efa tsara aminà."
Chapter 143

1Salamo nataon'i Davida. Tainô n fivavako, ry Yaveh; mitainô an'reo fifonako. Nohon'ny fatokinao sy famarinanao, de mamale ana! 2Aza tsaraina ny mpanomponao, satria akeo amasonao de tsisy ôlo-marina.3Nagnenjika ny fagnako ny fahavaloko, nanosika ana tamin'ny tany izy; nampitoetra ana tao amin'ny fahamaizignana ôtran'reo ze efa maty ela izy. 4Ketraka agnaty ny fagnako; mamoy fo za.5Matsaro reo andro talô za; misaintsaigna an'reo asanao daôly za; misaintsaigna reo ra vitanao. 6Mamelatra ny tagnako ho Anao amin'ny vavaka za mangetaheta Anao ny fagnàko aigny amin'ny tany karakaigna. Sela7Malaky hamaly ana, Yaveh ô! fa reraka ny fagnako. Aza manitrika ny tavanao aminà, raha tsy zany de ho lasana ôtran'reo ze midigna aigny agnaty lavaka za. 8Oka ho regniko ny famindram-ponao amin'ny ampolakeka, satria matoky Anao za. Atoro ana ny lalana tokony ambako, fa mandratra ny fagnako aminao aho.9Avoto am'reo fahavalonao za, ry Yaveh; hilefa hisitrika aigny Aminao za. 10Ampenaro za hagnano ny sitraponao, fa Andriamanitra Anao. Ny Fanahinao tsara ane hitarika ana aigny amin'ny tanin'ny fahitsina.11Ry Yaveh, noho ny amin'ny Agnaranao, de velomo amin'ny fahitsinao de ento miala amin'ny fahorena ny fagnako. 12Amin'ny famindram-ponao de fongoro reo fahavaloko ary aringano reo fahavalon'ny aignako daôly, fa mpanomponao za.
Chapter 144

1Ho deraina ane Yaveh, vatolampiko ze magnazatra ny tagnako hamely ary ny ratsan-tagnako ho amin'ny ady.2 Anao no famindram-po sy fiarovana mafy ho ana, fiarovana agnambo ho ana sy le mamonjy ana, ampingako sy le ialokalofako, le mampietry reo firenena ho akeo ambaniko.3Yaveh o! ino ze ôla no tsinjovinao na ny zanak'ôla no heveranao an'azy? 4Salan'ny fofon'aigna ny ôla, salan'ny aloka mandalo reo androny.5Voao ny lagnitrao ka midigna, ry Yaveh o! kasiho reo tendrombotra de hidona-tsetroka.6 Andifaso tsela-pazavana ka aparitao reo fahavaloko alefaso reo zanatsipikanao ka ataovo misavoritaka-kevitra zareo.7ahinjiro avy aigny agnambo ny tagnanao avoto za hiala amin'ny rano be, de am'reo tagnan'ny ôla hafa firenena. 8Ny vavan'jareo miteny lainga, ary ny tagnany ankavanana de fitaka.9Hihira fihiram-baovao ho Anao za, Andriamanitra ô! amin'ny vale tory folo no hihirako fiderana ho Anao, 10ze magnome famonjena ho an'reo mpanjaka, ze namonjy an'i Davida mpanomponao tamin'ny sabatry ny ratsy. 11Avoto za ka alao amin'ny tagnan'reo ôla hafa firenena. Ny vavan-jareo miteny lainga, ary ny tagnany ankavanana de fitaka.12Ho salan'ny kakazo maroroka ane reo zanakay lahy amin'ny fatanorany ary reo zanakay vavy ho salan'vato fehizoro voasikotra, mendrika salan'zany reo ze akao an-dapa. 13Ny tragnom-pokatray ane ho feno karazanzam-bokatra ary ny ondrinay ane hiteraka an'arivony sy agn'aliny aigny am'reo sahanay.14De hanagn'anaka maro reo aombinay. Tsisy ôla hamaky reo mandanay; tsisy sesi-tany ary tsisy fitomagnena akeo amin'ny lalanay. 15Sambatra ny ôla ze managna fitahiana salan'zany sambatra ny ôla ze managna an'i Yaveh ho Andriamaniny.
Chapter 145

1Salamo fiderana. Nataon'i Davida. Hanondrotra Anao za, ry Andriamanitro, mpanjaka ô! hankalaza ny agnaranao za mandrakazay doria. 2Hankalaza Anao isan'andro za, hidera ny Agnaranao za mandrakizay doria. 3Leibe Yaveh ka mendrika ho deraina; tsy takatry ny saigna ny faleibeazany.4Ny taranaka daôly hidera an'reo asanao am'ze mandimby an'azy sy hagnambara ny asanao mahery. 5Hisaintsaigna ny lazan'ny voninahitra sy reo asa magaga za.6Hilaza ny am'reo herin'reo asanao magaga zareo, ary hagnambara ny faleibeazanao za.7 Hagnambara ny fitoban'ny fahatsaranao zareo ary hihira ny famarinanao.8Mamindra fo sy miantra Yaveh, tsy mora sosy ary be famindram-po. 9Tsara am'zao tontolo zao Yaveh; magnerana ny asany daôly ny fiantrany mafinaritra.10Ze nohainao daôly de hanolotra fisaorana ho Anao, ry Yaveh; reo ze matoky de hisaotra Anao. 11Reo ze matoky Anao hagnambara ny voninahitry ny fanjakanao, ary hilaza ny herinao izy reo. 12Hampafantarin'izy reo amin'ny zanak'ôlombelona reo herin'ny Asan'Andriamanitra sy ny hatsaran'ny famirapiratan'ny fanjakany.13Ny fanjakanao de fanjakana maharitra mandrakizay, ary ny fanapanao de maharitra amin'ny taranako mifandimby.14Yaveh manôgna an'ze lavo ary managana an'ze daôly mitagnondrika. 15Ny mason'ny daôly mandigny Anao; amenao an'azy reo amin'ny fotônany ny ahanin'jareo.16 Mamelatra ny tagnanao Anao ary mahafapo ny fanirin'ny ra managn'aigna daôly.17Marina Yaveh amin'ny lalany daôly ary mpamindrafo am'ze ataony daôly. 18Ankekin'ze magnantso an'Azy Yaveh, de am'ze daôly magnantso an'Azy amin'ny famarinana.19 Magnatantraka ny fagnirin'ze magnaja an'Azy Izy; maregny ny fitaraignan'izy reo Izy, ka mamonjy an'azy reo.20Miambina an'ze daôly te an'Azy Yaveh, fa ho ravainy kosa reo ratsy fagnà.21 Hagnambara fiderana an'i Yaveh ny vavako; ôka ny ôlom-belona daôly hidera ny agnarany masina mandrakizay doria.
Chapter 146

1Miderà an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh, ry fanahiko. 2Hagnome fiderana an'i Yaveh za amin'ny fiaignako daôly; hihira fiderana ho an'Andriamanitro za raha mbôla miaigna kô.3Aza mametraka ny fitokisanao am'reo mpitondra na amin'ôlombelona, de am'ze tsisy famonjena. 4Rafa tapitra ny fofon'aignan'ny ôla raika, de hody amin'ny tany izy; am'zany andro zany no tapitra ny fikasany.5Sambatra ze managna an'Andriamanitr'i Jakoba hagnampy an'azy de ze managna fagnantenana akao amin'i Yaveh Andriamaniny. 6Nagnano ny lagnitra sy ny tany Yaveh, ny ranomasina, sy ze daôly akao aminazy, mitandrina famarinana mandrakizay Izy.7Magnatanteraka fahamarinana ho an'ny nampahoriana Izy ary magnome ahanina ny naona. Magnafaka ny gadra Yaveh;8 mampahiratra ny mason'ny jamba Yaveh manangana ny lavo Yaveh; Yaveh te ny ôlo-marina.9Yaveh miaro ny vahiny an-tanana manandratra ny kamboty sy ny mpitondrategna Izy, fa mankahala ny ratsy fagna kosa. 10Hanjaka mandrakizay Yaveh, Andriamanitrao, ry Ziona, ho an'ny taranaka mifandimby. Miderà an'i Yaveh.
Chapter 147

1Miderà an'i Yaveh, fa tsara ny mihira fiderana an'Andriamanitsika, tsara zany, ary manjary ny midera.2Manangana an'i Jerosalema ndre Yaveh, mampitambatra ny vahôkan'Israely ze niparitaka Izy. 3Magnasitrana ny torotoro fo Izy ary mamatotra ny ferin'izy reo.4Magnisa an'reo kintana Izy ary magnome agnarana an'azy daôly.5 Leibe ny Andriamanitsika ary magaga ny heriny, ny fahazavan-tsaignany tsy hay refesina.6Manandratra ny ory Yaveh, ary mampietry ny ratsy fagna amin'ny tany. 7Mihirà ho an'i Yaveh amin'ny fisaorana mihira fiderana amin'ny lokanga ho an'Andriamanitsika.8Manarogna ny lagnitra am'reo rôndro Izy, ary magnomagna ranon'orana ho an'ny tany, mampaniry ny ahitra am'reo tendrombotra.9 Magnome ahanina an'reo biby Izy ary an'reo goaka tanora refa mitaraigna.10Tsy mahita sitraka amin'ny herin'ny soavaly Izy, tsy mahazo fafinaretana amin'ny tanjaky ny tongotr'ôla Izy. 11Yaveh mankasitraka an'reo ze magnaja an'Azy, ze magnategna ny famindram-pony.12Miderà an'i Yaveh, ry Jerosalema, miderà an'Andriamanitra, ry Ziona. 13Fa magnamafy ny hidim-bavahadinao Izy, mitahy an'reo zanakao akeo aminao Izy. 14Mitondra fagnambinana akao agnatin'ny tanananao Izy, mahafapo an'nao amin'ny vary tritrika tegna tsara Izy.15Mandefa ny didiny ho aty an'tany Izy, ny didiny mihazakazaka mafy.16 Magnano ny oram'panala ho salan'ny volon'ondry Izy, mampiely ny fanala salan'ny lavenona Izy.17Mizara ny havandra salan'ny poti'dra Izy, iza no hatanty ny hatseka alefany? 18Mandefa an'reo didiny Izy ary avy mampiempo an'zany, mampitsoka ny rivotra ary mampikorina ny rano Izy.19Nambarany tam'Jakoba ny teniny, ny didiny sy reo lalana marina tamin'Israely. 20Tsy mba nagnano salan'zany tamin'ny firenen-kafa Izy, ary ny am'reo didiny de mba fantatr'zareo zany. Midera an'i Yaveh.
Chapter 148

1Miderà an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh, anareo aigny an-dagnitra; miderà an'Azy, anareo aigny amin'ny avo. 2Midera an'Azy, ry anjeliny daôly; miderà an'Azy, ry maramilany daôly.3Miderà an'Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà an'Azy, ry kintana mamiratra daôly. 4Miderà an'Azy ry avo indrindra amin'ny lagnitra ary anareo rano ze ambanin'ny habakabaka.5Oka hidera ny agnaran'i Yaveh reo, fa Izy no nagnome ny didy, ary de nohariana reo.6 Nampitoetra an'azy reo mandrakizay doria Izy; Namôka didy ze tsy azo ovana mitsy Izy.7Miderà an'Azy aty an-tany, anareo dragona sy ny halalign'ny ranomasimbe daôly,8 ny afo sy havandra, ny oram-panala sy ny zavona sy ny rivo mahery magna tanteraka ny teniny.109Merà an'Azy, ry tendrombohitra sy tanety daôly, ry kakazo mamoa sy sedera, 10ry bibidia sy ny voafolaka, reo ra managn'aigna mandady ary reo vorogna magnembagna.11Miderà an'i Yaveh, ry mpanjakan'ny tany sy ny firenena daôly, ry andriana sy ze manapaka akeo amin'ny tany, 12ry gaondahy sy gaombavy, ny antitra sy tanora.13Oka hidera ny agnaran'i Yaveh izy reo, fa ny Agnarany rerika fôgna no asondrotra ary voninahiny hiparitaka magnerana ny tany sy ny lagnitra. 14Efa nanondrotra ny tandroky ny ôlony Izy ho fiderana ho an'ny ôlony matoky, de ny zanak'Israely, le vahôka ankeky an'Azy. Miderà an'i Yaveh.
Chapter 149

1Miderà an'i Yaveh. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh; mihirà fiderana ho an'Azy akao amin'ny fiangonan'reo ôla matoky.2Oka Israely hifaly am'le nahary an'azy reo; ôka ny ôlaon'i Ziona hifaly amin'ny mpanjakan-jareo. 3Oka zareo hidera ny agnarany amin'ny dihy; ôka zareo hihira fiderana an'Azy amin'ny ampongatapaka sy harpa.4Fa Yaveh de mankamamy ny ôlony; mankalazà ny mpagnetry tegna amin'ny famonjana Izy. 5Oka ny ôla masina hifaly amin'ny fandresena; ôka hihira fifalena akao ampandreny zareo.6Ho amin'ny vavan'Izy reo ane ny fiderana an'Andriamanitra ary ny sabatra roa lela ho akeo an-tagnany 7mba hagnanôvana valifaty am'reo firenena maro sy fihetsika magnafay ny ôla.8Hamatotra ny mpanjakany amin'ny tady vy izy reo ary ny ôlo-manankajany amin'ny tady vy. 9Hampiatra ny fitsarana ze voasoratra zareo zany de ho voninatra ho an'ny ôlony matoky daôly. Miderà an'i Yaveh.
Chapter 15

1Salamo nataon'i Davida. Yaveh ô, iza ma no afaka mijanona am'tabernakelinao? Iza no afaka hipetraka akeo am_tendrimbohitrao masina?2 De reo ze mande tsisy tsigny , magnano ny marina sy mitare ny marina am'fony.3Tsy magnendrikendrika am'lelany izy, tsy magnano ratsy amin'ny hafa izy, ary tsy magnano ratsy am'namany.4Ny ôla tsy mendrika de ho tsisy varany akeo amasony , fa hagnome voninahitra an'ze matatra an'i Yaveh izy. Mifanta am'fahavoazany izy ary tsy hamerigna an'reo fampagnantenany.5 Tsy mialaka tombony izy rafa mampisambo_bola. Tsy mandray kolikoly mba hitsanganana vavolombelona manohitra ny tsy manan_tsigny izy. Ze magnano an'reo ra vôlaza reo de tsy hangozohozo mihintsy.
Chapter 150

1Miderà an'i Jehovah. Miderà an'Andriamanitra akao amin'ny fitoerany masina; midera an'Azy aigny amin'ny habakabaka mahery. 2Miderà an'Azy amin'ny asany mahery, miderà an'Azy amin'ny fahaleibeazany mihoapampagna.3Miderà an'Azy amin'ny fitsofana anjomara; miderà an'Azy amin'ny lokanga sy harpa.4 Miderà an'Azy amin'ny amponga tapaka sy ny dihy, midera an'Azy amin'ny vale sy sodigna. 5Miderà an'Azy amin'ny kipantsona tsara feo; miderà an'Azy zmin'ny kipatsona magneno mafy.6Oka ze manam-pofon'aigna daôly hidera an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh.
Chapter 16

1Miktama nataon'Davida. Arôvo za, Andriamanitra ô, fa mialoka akao aminao .2 Ozy za tam'Yaveh hoe:"Anao no Tompoko ;tsisy fahasoavan anagnako ankoatra anao.3 Raha ny am'reo ôla masina aketo ambonin'ny tany, de mendri_kaja zareo, ny fankasitrahako daôly de ho akao aminjareo.4Ho ampitomboina ny fahorenjareo, de reo ze mikaraka Andriamanitra hafa . Tsy mba hagnidigna fagnatitra rà am'reo Andriamanitr'zareo za na hanandratra ny agnarany am'molotro.5Yaveh ô, Anao no anjara vôfidiko sy kapôkako. Anao no mitàna ny anjarako.6 Akeo am'reo tany mahafinaritra no nasena ny vôfaritra ho anà; anà tokô ny lova mahafinaritra.7Hisaotra an'i Yaveh, ze nagnatoro hevitra anà za ; eny na de amin'ny alina aza de mampianatra anà ny fisaignako. 8Hataoko akeo agnolônako isan'androvaky Yaveh, de tsy hangozohozo akeo an'tagnana an_kavanany za!9Noho zany de faly ny foko; ravoravo ny fagnako. Hiainga am_pilaminana tokô za. 10Satria tsy hamela ny fagnako ho akaigny am'fiaignan_tsy hita Anao. Tsy hamela an'le mahatokinao hahita ny lavaka Anao.11Nampenarinao anà ny lalan'ny fiaignana; hafalem_be ny akao agnatrehanao ; fahafinaretana mandrakizay ny mipetraka akeo an_tagnana an_kavananao!"
Chapter 17

1Vavaka nataon'i Davida. Mitandrignesa ny fitaraignako ny rariny , Yaveh ô; tandrigneso ny antso vonjiko! Atongilagno am'fivavaky ny molotro tsisy fitaka ny sofignao.2 Ôka ho avy akeo agnatrehanao ny fagnamarinana anà; avilao ny masonao hijery ny rariny!3Raha mizaha toetra ny foko Anao , na tonga aminà Anao amin'ny alina , de hagnadino anà Anao ary hahita fikasan_dratsy , tsy hagnota ny vavako.4Ny amin'ny asan'ny ôla, de tam'tenin'ny molotrao no nitandremako ny tegnako tam'lalan'ny mpamadika lalàna .5 Mafy orina teo am'lalanao ny dèko; ary tsy solafaka ny tongotro.6Magnantso an'nao za, satria mamaly ny fagnantsovako Anao , Andriamanitra ô; atongilano aminà ny sofignao ary mitandrignesa anà rafa mitare. 7Aboagno am'fomba mahatoky ny famindraponao. Anao le mamonjy ze mialoka aminao amin'ny alalan'ny tagnan_kavananao am'fahavalonjareo!8Arôvo salan'ny anaka andriamasonao za, asitriho akao ambany aloky ny embagnao 9am'fagnatrehan'reo ratsy fagna ze mamely anà za, de reo fahavaloko ze magnodidigna anà.10 Tsy magnana famindrapo na amin'iza na iza zareo, ary ny vavanjareo de mamôka avognavogna.11Nagnodidina ny dèko izy reo. Nampibanjigna ny masony zareo mba handavo anà am'tany. 12Zareo de salan'ny liona magniry hamiravira tanteraka, ary salan'ny liona tanora mamitsaka akao am'reo tôrana fisitrihina.13Mitsangàna Yaveh ô! tafiho zareo! Ataovo miandrampigna am'tany ny tarenjareo ! Ary avoto tsy ho azon'ny ratsy fagna amin'ny alalan'ny sabatrao ny aignako!14 Avoto amin'ny ôla amin'ny alalan'ny tagnanao za, Yaveh ô, de amin'ny ôlan'zao tontolo zao ze am'ty fiaignana tsy fôgna ny anjarany ! Hameno harena am'kibon'reo sarobidinao anao; hanagna taranaka maro zareo ary hamela ny harenany ho an'ny taranagny.Fa za kôsa, de hahita ny tarenao am'fahamarinana; Ka ho afa_po, am'fijerevana an'nao , rafa mifô.
Chapter 18

1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, le mpanompon'i Yaveh, rafa mihira hoan'ny Yaveh ny tonon'ty hira ty tamin'ny andro namonjen'Jehovah anazy taigny an_tagnan'reo fahavalony daôly sy taigny an_tagnan'i Saoly. Nihira izy nagnano hoe: "tèko Anao , Yaveh ,heriko.2Yaveh no votalampiko, ferôvana mafy ho anà, ze mitondra anà am'fahalimena; Izy no Andriamanitro, vatolampiko; mialoka akao amin'azy za. Izy no ampingako , tandroky ny famonjena anà, sy ferôvana mafy ho anà. 3Hagnatso an'i Yaveh ze mendrika ho deraina za ary de ho avotra am'reo fahavaloko.4Namatotra anà reo tadin'ny fahafatesana, ary reo rano mandrekan'ny faharatsena no nandrendrika anà.5 Namototra anà reo tadin'ny fiaignan_tsy hita; namandrika anà ny fandriky ny fahafatesana.6Nagnantso an'i Yaveh ze tao agnatin'ny fahoreko; nagnantso vonjy tamin'Andriamanitra za . Regniny avy tao an_tempoliny ny feoko ; tonga takeo am'fagnatrehany ny antso vonjiko ; tonga tao an_tsofigny zany.7De nihovitra sy nihorohoro ny tany ; nihorohoro sy vôozongozona ihany kô ny fagnambanin'reo tendrombohitra satria sosy Andriamanitra. 8Niakatra ny setroka avy takao am'vavaorogny, ary afo miredareda no nivôka ny vavany . Niretra tam'zany ny vaink'afo.9Izy nanokatra ny lagnitra de nidigna, ary aizigna mikitroka no takeo ambany tongony. 10Nitikina kerôbima izy de nagnembagna; nisosa taigny amin'embagn'ny rivotra izy.11Izy nagnano ny aizigna ho lay magnodidigna an'Azy , de reo rôndro mainty taigny agn'habakabaka. 12Nilatsaka avy tam'tselatra takeo agnolôgnany ny havandra sy vaink'afo.13Nikotroka taigny an_dagnitra Yaveh! nikika ny feon'ny Avo indrindra . [ fagnamarihana:reo dikantegny sasagny am'zao fotôna de magnampy hoe:"havandra sy vaink'afo " afaran'ny nikika . Io fomba fiteny io de mety fiveregnana tsy kinena takao amin'ny andininy talô].14 Nandefa ny zana_tsipikany izy ary nampipareka an'reo fahavalony; tselatra betsaka no nampipareka an'njareo.15Avy takeo de nipoitra reo fantson_drano; naharihary tam'hikam_pedenao reo fagnambanin'ny tany, Yaveh_tam'fipôkan'ny fofon'aignan'ny vava orognao.16Nagninjitra ny tagnany avy aigny agnambo izy; nitana anà izy ! nisontona anà avy tam'rano magnonja izy.17 Nagnavotra anà tam'fahavaloko izy , tam'ze mankahala anà , satria mafy lôtra ho anà zareo.18Tonga nanohitra anà zareo tamin'ny androm_pahoreko fa Yaveh no nanôgna anà! 19Nagnafaka anà takeo am'tôrana mangodàgna izy; namonjy anà izy satria faly taminà.20Nagnome valisô anà Yaveh noho ny fahamarinako; magnarina anà izy satria nadio ny tagnako. 21Fa za efa nitandrina an'reo lalanan'i Yaveh ary tsy nivily lalana tamin'i Andriamanitro.22Fa efa takeo agnolônako reo lalànany marina daôly; raha ny am'reo didiny , de mbôla tsy nivadika tam'zany za.23 Tsy manan_tsigny takeo agnatrehany ihany kô za, ary nitandrintegna tam'fahotàna. 24Noho zany de namelona anà ndre Yaveh noho ny fahamarinako, satria nadio takeo amasony ny tagnako.25Ze mahatoky de aboagnonao fa mahatoky anao; ny ôla ze tsisy tsigny , de aboagnonao fa tsy manan_tsigny anao. 26Ny ôla ze madio, de aboagnonao fa madio anao; fa anao de marangi_tsaigna am'ze tsy marina.27Fa anao magnavotra ny ôla ory, ary mampietry an'reo managna maso mirehareha sy miandrandra! 28Fa anao magnome hazavana ny jiroko ; magnazava ny aizigna anà Yaveh Andriamanitro. 29Fa amin'ny alalanao no hahafahako mihazakazaka agnambona sakana, amin'ny alalan'Andriamanitro no hahafahako mandingana manda.30Raha Andriamanitra alô; de tonga lafatra ny lalany. Madio ny tenin'i Yaveh! Ampinga ho an'ze mialoka aminazy izy.31 Fa iza no Andriamanitra fa tsy Yaveh? iza no vatolampy aFa_tsy Yaveh? 32Andriamanitra mametraka hery akato agnatiko ôtran'ny fehinkibo, ze mametraka ny ôla tsisy tsigny akeo am'lalany.33Izy mampalaky ny tongotro salan'ny diera ary mametraka anà akaigny amin'ny agnambo! 34Izy magnazava ny tagnako ho amin'ny ady ary ny sandriko hamoritra ny tsipika varagna.35Efa namenao anà ny ampingan'ny famonjenao. Efa nanôgna anà ny tagnanao an_kavanana, ary ny fankasitrahanao de naha_leibe anà.36 Efa nagnano tôrana migodagna ho an'ny tongotro akeo ambaniko anao mba tsy hampibolisatra ny tongotro.37Nagnenjika an'reo fahavaloko za ary nahatakatra an'njareo; tsy nihemotra za raha tsy zareo. 38Nopotehiko zareo mba tsy hahafahany miarina; efa lavo tao ambany tongotro zareo.39 Fa anao mametraka hery takao aminà ôtran'ny fehinkibo ho amin'ny ady; nataonao ambaniko ze nitsangana hanoitra anà.40Nampemboho ny vozon'reo fahavaloko ho anà anao; naringako ze nankahala anà. 41Nagnantso vonjy zareo , fa tsisy nagnavotra ; nagnantso an'i Yaveh zareo , fa tsy novaleny . 42Nopotehiko ho manify ôtran'ny jofo agnolônan'ny rivotra izy reo; natsipitsipiko ôtran'ny fotaka aigny an_dalana.43Nagnavotra anà tam'fifamalen'ny ôla anao. Anao nagnano anà ho lôn'ny firenena. Manompo anà reo ôla tsy fantatro. 44Raha vô naregny anà zareo , de nagneky anà; vôtery nondrika takeo agnatrehako ny hafa firenena. 45Reo vahiny tonga amim_pangitakitahana avy akao am'ferôvana mafinjareo.46Velona Yaveh, Ho deraina anie ny vatolampiko. Ho asandratra anie ny Andriamanitry ny famonjena anà. 47Izy le Andriamanitra ze magnano valifaty ho anà , ze manolotra an'reo firenena ho ambaniko.48Afaka tam'reo fahavaloko za ! Tegna, nampakarinao agnambon'ze nitsangana hanoitra anà zà! Navotanao tam'reo leila mahery setra za. 49Noho zany de hanolotra fisôrana ho an'nao, am'reo firenena za. Yaveh ô; hihira fiderana ho an'ny agnaranao za!50Andriamanitra de magnome fandrena gedabe ho an'ny mpanjakany; ary mampiseho ny fifanekem_pitokisana am'le vôhosony izy, de am'Davida sy ny taranagny mandrakizay.

Chapter 19

1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.2 Ny lagnitra magnambara ny voninahitr'Andriamanitra, ary ny habakabaka mampafantatra ny asan'ny tagnany! 3Isan'andro isan'andro de mipololotra ny teny, isan'alina de magnambara fahalalana zany. Tsisy kabary na teny vôlaza, Ka tsy regny ny feonjareo.4Kanefa ny teninjareo de mivôka magnerana ny tany iray manontolo, ary hatraigny am'paran'ny tany ny kabariny. Efa nanangana lay ho an'ny masoandro taminjareo izy.5 Ny masoandro de salan'ny mpampakatra mivôka avy akao amin'ny efitranony ary salan'ny leilà mahery ze mifaly rafa magnano ny fihazakazahany. 6Mipôka avy aigny am'fara_vodilagnitra raika ny masoandro ary mitety ny habakabaka ho aigny am'raika hafa; tsisy afaka milefa ny hafananany.7Tonga lafatra ny lalàn'i Yaveh , magnarina ny fagna; azo antoka ny teny vavolombelon'i Yaveh, maha_hendry ny tsotra.8 Mahitsy ny fampianaran'i Yaveh; mampiravoravo ny fo; madio ny didin'Yaveh, mitondra fahazavana ho an'ny maso.9Madio ny fatahôrana an'i Yaveh , maharitra mandrakizay ; marina sady mahitsy daôly reo didy marin'i Yaveh! 10Sarobidy mandombolombo ny volamena zany, eny mandombolombo ny volamena tsara aza ; mamy mandombolombo ny tintely sy ny tintely mitete avy am'rôgim_pandrama zany.11Eny amin'ny alalan'zany no hampitandremana ny mpanompo ao; fa hisy valisô gedabe am'fankatoavana an'zany. 12Iza no afaka mamantatra an'reo fahadisôny daôly? dôvo am'reo heloka misitrika za.13Tandremo kô ny mpanomponao amin'ny ota sahisahy ; aza avela hife anà reo. De hotonga lafatra za, ary tsy hanan_tsigny am'fandikan_dalàna maro. 14Ho ekena akeo amasonao reo taren'ny vavako sy reo fihevitry ny foko , ry Yaveh , vatolampiko sy mpagnavotro.
Chapter 20

1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hamonjy an'nao anie Yaveh amin'ny androm_pahorenao ; ny agnaran'Andriamanitr'i Jakoba anie hiaro an'nao 2ary hagnandefa fagnampena avy am'fitôrana masina mba hanohagnana an'nao avy akao ziona .3Izy anie hahatsiaro an'reo fagnatitrao daôly ary ho ekeny anie ny sorognao dorôna. Sela 4Izy anie hagnome an'nao ze fagnirin'ny fonao ary hagnatanteraka an'reo fikasanao daôly.5De hifaly am'fandresenao zahay, ary amin'ny agnaran'Andriamanitray, no hanangananay faneva. Hanome ze fangatahanao daôly anie Yaveh.6 Zao de fantatro fa hagnavotra ny ôla vôhosony Yaveh; hamaly an'azy avy aigny an_dagnitra masiny am'herin'ny tagnany ankavanana ze afaka magnavotra an'azy izy.7Ny sasagny mitoky am'saretiny ary ny hafa am'sôvaliny , fa zahay kosany de magnantso an'i Yaveh Andriamanitray. 8Haetry izy reo ka lavo, fa tsika kosany hiarina ary hitsangana mahitsy!Yaveh ô, vonjeo ny mpanjaka ; ampeo zahay raha magnantso.
Chapter 21

1Ho an'ny mpiventy hira . Salamo nataon'i Davida. Ny mpanjaka mifaly am'herinao , Yaveh ô! Akôry ny haleiben'ny fifaleny am'famonjena namenao! 2Namenao an'azy ny fagnirin'ny fony ary tsy nolavinao ny fangatahan'ny molony. Sela3Fa nitondra fitahina be ho an'azy Anao ; nametraka satro_boninatra volamena madio be takeo an_dôny Anao.4 Nangataka fiaignana taminao izy; de namenao an'azy zany; namenao andro betsaka mandrakizay doria izy5Leibe noho ny fandresenao ny voninatrany; efa nametraka famirapiratana sy ny voninatra taminazy Anao.6 Magnome antoka fitahiana maharitra ho an'azy Anao ; mampiravoravo an'azy am'fifalen'ny fagnatrehanao Anao.7Matoky an'i Yaveh ny mpanjaka ; amin'ny alalan'ny famindrampon'ny Avo indrindra no tsy hagnalana an'azy. 8Ny tagnanao hisambotra an'reo fahavalonao daôly ; hisambotra an'ze mankahala an'nao ny tagnanao an_kavanana.9Am'fotônan'ny hasosenao, de handoro an'azy reo akao am'lafôro miretra Anao. 10Handevona an'azy reo am'fahasoseny Yaveh, ary handevona an'azy reo amin'ny afo. Hamotika ny zanak'zareo am'tany sy ny taranak'zareo akeo ampovôn'ny olombelona Anao.11Fa zareo nikasa hagnano ratsy an'nao ; zareo namolavola teti_dratsy ze tsy hahombiazany! 12Fa hampiaboho an'azy reo kosa Anao; Hamôka ny tsipikao akao agnolônanjareo anao.13Misandrata, ry Yaveh ,amin'ny herinao ; hihira sy hidera ny herinao zahay.
Chapter 22

1Ho an'ny mpiventy hira; atao am'"gadogn'ny Diera". Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nagnino no nilôsanao za? Nagnino no lavitra lôtra am'famonjenao anà Anao ary alavitra am'reo tenin'ny fangirifiriko? 2Andriamanitra ô, nitaraigna taminao za ny antoandro, nefa tsy novalenao , ary ny alina de tsy mba nangigna za!3Kanefa masina Anao ; mipetraka ôtran'ny mpanjaka am'fideran'ny Israely Anao . 4Natoky an'nao reo razambenay; natoky an'nao zareo, ka novonjenao.5 Nitaraigna taminao zareo ka novonjenao. Natoky an'nao izy reo ka tsy diso fanantenana.6Nefa kankana za fa tsy mba ôla, fahafam_baraka ho an'ny olombelona ary nataon'ny ôla tsinotsinona . 7Ze daôly nahita anà de miteny ratsy anà; esoinjareo za, ary magnifikifi_dô aminà zareo. 8Ozy zareo hoe:"matoky an'i Yaveh izy; ôka Yaveh hagnavotra an'azy . Avilao izy hagnavotra an'azy , fa hankasitrahany izy".9Fa Anao no nitondra anà avy tagnaty kibo; nataonao matoky an'nao za taminà tan_tratran_dreniko. 10Nankignina taminao za hatraigny agnaty kibo; Anao no Andriamanitro hatram'za takao agnaty kibon'ny reniko!11Aza magnalavitra anà, fa ankeky ny fahorena; tsisy ôla hamonjy anà. 12Magnodidigna anà ny aombilà betsaka , magnodidigna anà ny aombilà masekan'i Basana.13 Hampitagnatagna ny vavany amina salan'ny liona mierogna mandrapaka ny hazany reo.14Nararaka salan'ny rano za, ary bitsoka ny tôlako daôly. Salan'ny savoka ny foko; miempo akao agnatiko zany.15 Maigna salan'ny vilagny tany ny heriko; mirekitra am'lagnilagniko ny lelako . Nampandry anà tam'jofon'ny fahafatesana Anao .16Fa magnodidigna anà ny ambô; efa magnodidigna anà ny vondrogn'mpagnano ratsy ; notombananjareo ny tagnako sy ny tongotro.17 Azoko isaina ny tôlako daôly. Mijery sy mandinika anà zareo daôly.18Nifampizaranjareo ny fitafeko ; nilokany ny akanjoko.19 Aza magnalavitra anà, ry Yaveh, maladilade hagnavotra anà, ry heriko!20Avoto am'sabatra ny fagnako , ny hany aignako am'rangotry ny ambôdia.21 Vonjeo am'vavan'ny liona za, avoto am'tandroky ny aombidia za.22Hagnambara ny agnaranao am'reo rahalàko za; akeo ampovôn'ny fiangonana no hiderako an'nao.23 Anareo ze matatra an'Yaveh ; midèra an'Azy ! Anareo taranak'i Jakoba daôly, magnomeza voninahitra an'Azy . Mijorô am_pitalanjognana Aminazy, anareo taranak'israely daôly.24Fa tsy magnamavo na naharikoriko an'Azy ny fijalen'ny ôla ory; tsy nanitrika ny tavany taminazy Yaveh, rafa nitaraigna taminazy le ôla ory, de naregny izy.25 Ny fiderana de ho noho Anao akao am'fiangonan_deibe ; hagnatanteraka reo voadiko agnolônan'ze matatra an'Azy za.26Ny ory hihinana ka ho afa_po ; ze mikaraka an'Yaveh de hidera an'Azy. Ny fonareo anie ho velona mandrakizay. 27Hahatsiaro ary hiverigna am'Yaveh reo vahôka ambonin'ny tany daôly; hiankoka akeo agnatrehanao reo fianakavena daôly am'firenena marobe.28Fa an'Yaveh ny fanjakana ; izy no mpanapaka eran'reo firenena. 29Ny ôla mpagnefoefo daôly hiara_hihinana sy hidera ; hiankoka akeo agnatrehanao ze daôly hanjary jofo; de ze tsy afaka miaro ny aignanjareo.30Hanompo an'Azy ny taranaka ho avy ; zareo hilaza am'taranaka mandimby ny am'Tompo.31 Ho avy zareo ary hilaza ny fahamarinany; hilaza ze efa nataony amin'ny ôla mbôla tsy teraka zareo!
Chapter 23

1Salamo nataon'i Davida. Yaveh no mpiambina anà; tsy hanan_dra mahaory za. 2Mampandry anà amin'ny ahitra maitso izy; mitarika anà amorogn'rano fialan_tsasatra izy.3Mamelombelona ny aignako izy ; mitarika anà aigny am'lala_marina noho ny amin'ny agnarany izy.4Na de mande mamakivaky ny lôsaha aloky ny fahafatesana aza za, de tsy hatatra loza fa Anao no momba anà; ny tsora_kakazonao sy ny tenanao no mampahery anà.5Magnomana latabatra akeo agnolônako agnatrehan'reo fahavaloko Anao; efa nagnosotra menaka ny lôko Anao; ny kapôkako feno be.6Fahatsarana sy famindram_po tokô no hagnaraka anà amin'ny androm-piaignako iray manontolo; ary hipetraka akao an_dragnon'i Yaveh lalandava za!
Chapter 24

1Salamo nataon'i Davida. An'i Yaveh ny tany , sy ze ra daôly mameno an'azy, izao tontolo zao, sy ze ra daôly mipetraka aminazy. 2Fa efa nampipetraka an'zany takeo agnambon'reo ranomasina izy ary naorigny takeo agnambon'reo agny.3Iza no hiakatra akaigny am'tendrombohitr'Yaveh? iza no hitsangana akao am'fitôrany masina?4 Izy ze managna tagnana madio sy fo tsisy pentina; ze tsy nanandratra ny lainga , ary tsy magnano fampagnantenana mba hamitahana.5Handray fitahina avy am'Yaveh izy ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena an'azy.6 Otran'zany ny taranak'reo ze mikaraka an'azy , de ze mikaraka ny tavan'Andriaman'i Jakoba. Sela7Ingao ny lônareo , anareo ry vavahady, misandrata , ry varavaragna mandrakizay, mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra!8 Iza izany Mpanjakan'ny voninahitra? Yaveh, mahery sy mahefa ; Yaveh, mahery amin'ny ady.9Asandrato ny lônareo , anareo ry vavahady; misandrata , ry varavaragna mandrakizay, mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra! 10Iza zany Mpanjakan'ny voninahitra zany? Yaveh Tompon'ny maro, izy no Mpanjakan'ny voninahitra. Sela
Chapter 25

1Salamo nataon'i Davida. Ho an'nao, ry Yaveh, no anandratako ny fagnako! 2Andriamanitro ô, matoky an'nao za. Aza avela ho megnatra za; aza avela hifaly amim_pandresena aminà reo fahavaloko. 3Tsisy ho megnatra anie ny ôla ze magnantegna an'nao , ho megnatra anie ze magnano fihetsika mamitaka tsy amin'antony!4Ampahafantaro anà reo lalanao, Yaveh; ampianaro anà reo lalanao.5 Tarito za ho am'fahamarinanao ary ampianaro, fa Anao no Andriamanitry ny famonjena anà; magnantegna an'nao andro lava za.6Tsarovo, Yaveh, reo asa fangorahanao sy famindramponao; fa efa nisy isan'androvaky izy reo. 7Aza mihevitra an'reo fahotan'ny fahatanorako na ny fikomeko; tsarôvo am'famindramponao za noho ny fahatsaranao, Yaveh!8Tsara sy mahintsy Yaveh; ka de mampianatra an'reo mpagnota ny lalana izy. 9Mitarika ny ôla magnetry tegna am'ze rariny ary mampianatra an'azy reo ny lalanany.10Reo lalan'i Yaveh daôly de fitiavana maharitra sy fahatokena ho an'ze mitandrina ny fagnikeny sy reo didiny masina. 11Fa noho ny amin'ny agnaranao, ry Yaveh, de mamelà ny heloko, fa leibe zany.12Iza no leilà matatra an'i Yaveh? Ny Tompo no hagnorotoro an'azy ny lalana ze tokony hosafidiny.13 Handeha am'fahatsarana hatraigny ny fiaignany; avy reo taranagny handova ny tany.14Ny finamanana an'Yaveh de ho an'ze magnome voninatra an'azy , ary mampafantatra ny fagnikeny aminjareo izy. 15Am'Yaveh isan'androvaky ny masoko, fa izy hagnafaka ny tongotro amin'ny harato. 16Mitode aminà ary mamindrà fo aminà; fa rerika sady ory za.17Miitatra ny fahoren'ny foko; alao am'fahoreko za!18 Zahao ny fampahorena anà sy reo fisasarako; mamelà ny fahotako daôly. 19Zahao reo fahavaloko, fa maro zareo; mankahala anà amim_pankahalalana lozabe zareo.20Arôvo ny aignako ka avoto za; aza avela ho megnatra za, fa mialoka Aminao!21 Hiaro anà anie ny fahitsiana sy ny fahamarinanao, satria magnantegna an'nao za.22Avoto am'fahoreny daôly Israely, Andriamanitra ô!
Chapter 26

1Salamo nataon'i Davida. Tsarao za, Yaveh ô, fa efa nande tamim_pahitsina za; natoky an'i Yaveh tsisy fisalasalana za.2 Banjigno za, ry Yaveh, ary zahao toetra, zahao toetra ny fahadiovan'ny atiko sy ny foko! 3Fa ny famindram_ponao no magnolôna ny masoko, ary mande am'fahatokinao za.4Za tsy mikambagna am'reo ôla mpamitaka, na mifangaro am'reo ôla tsy marina. 5Halako ny fiangonan'reo mpagnano ratsy , ary tsy miara_mipetraka am'ratsy fagna za.6Manasa ny tagnako am'tsy fanagnan_tsigny za, ary mande magnodidigna ny alitaranao , ry Yaveh, 7mba hihira fiderana mafy sy hilaza ny asanao mahagaga ray manontolo.8 Yaveh ô, tèko ny tragno ze hipetrahanao, ny tôrana ze hipetrahan'ny voninahitrao!9Aza mandripaka anà miaraka am'reo mpagnota, na ny aignako miaraka am'reo ôla lian_drà, 10de tagnana misy teti_dratsy , ary tagnana an_kavanana feno kolikoly.11Fa za kosa , de hande am'fahitsina; avoto za ary mamindrà fo aminà. 12Mitsangana akeo am'tany marina ny tongotro; akao am'reo fiangonana no hiderako an'Yaveh!
Chapter 27

1Salamo nataon'i Davida. Yaveh no fahazavako sy famonjena anà; iza no hatahôrako? Yaveh no fialofan'ny aignako; iza no hangovitako?2Raha magnatogna anà handrotika ny nofoko reo mpagnano ratsy , reo mpandrafy anà sy fahavaloko de tafitona ka lavo. 3Na de misy tafika mitoby hanoitra anà aza ; de tsy hatatra ny foko; na de misy ady hetsangana hanoitra anà, na am'zany aza de mbôla hijanona ho mahatoky za.4Ra raika no nangatahako tam'Yaveh, de hikaraka an'zany za; mba hahafahako mipetraka akao an_dragnon'Yaveh mandritra ny androm_piaignako , mba hahita ny fahatsaran'i Yaveh sy hisaintsaigna akao an_tempoliny .5Fa amin'ny androm_pahoreko de hanitrika anà akao am'felofany izy; akao am'firakotry ny lainy no hagnefenany anà. Hampiakatra anà agnambo agnambon'ny vatolampy izy! 6Ary ny lôka hisandratra akeo agnambon'reo fahavaloko magnodidigna anà daôly , hanolotra an'reo fagnati_pisorognam_pifalena akao an_dainy za! hihira sy hagnano fihirana ho an'i Yaveh za!7Tandrigneso ny feoko ; Yaveh ô, rafa magnantso mafy za! Mamindrà fo aminà , ka valeo za! 8Ny foko miteny momba an'nao hoe:"karao ny tavany!" Mikaraka ny tavanao za, ry Yaveh !9Aza manitrika ny tavanao aminà; aza magnalana ampahasosena ny mpanomponao! Anao no efa namonjy anà ; aza mahafoy na mandôsa anà, ry Andriamanitry ny famonjena anà! 10Fa na de mahafoy anà aza ny raiko sy ny reniko, de Yaveh mbôla handramby anà.11Ampianaro anà ny lalanao , ry Yaveh ! tarito am'lala_marina za noho reo fahavaloko. 12Aza magnary anà ho am'fagnirin'reo fahavaloko, fa reo vavolombelona sandoka efa nitsangana hiampanga anà, ary mifofofofo herisetra zareo!13Ino no nahazo anà raha tsy nino za fa za de hahita ny fahatsaran'i Yaveh aigny am'tanin'ny velona. 14Mandinesa an'i Yaveh; matanjaka , ôka ny fonao hahery ! Mandrasa an'i Yaveh!

Chapter 28

1Salamo nataon'i Davida. Aminao, ry Yaveh , de hikika mafy za; ry vatolampiko ô, aza atao tsinotsinona za. Raha tsy mamaly anà Anao, de hagnaraka an'reo ze midigna aigny am_pasagna za. 2Tandrigneso ny feon'ny fitaraignako raha mikaraka fagnampena avy Aminao za rafa manandratra ny tagnako magnatrika ny fitôranao masina indrindra za!3Aza misintona anà hiala miaraka am'ratsy fagna , ze mpagnano heloka , ze magnome fedanana am'namany nefa magnana faharatsena akao am_pony. 4Ameo an'njareo ny fanaoka ny asany ary valeo araka ze takin'ny faharatsem_pagnanjareo, valeo zareo ny amin'ny asan'ny tagnany ary aviregno aminazy araka ze fanaoka an'azy. 5Satria tsy takatr'zareo ny asan'i Yaveh na ny asan'ny tagnany, hopoteny zareo ka tsy mba ho hatsangana mihitsy.6Deraina anie Yaveh satria efa naregny ny feon'ny fitaraignako izy!. 7Yaveh no heriko sy ampingako ; matoky an'Azy ny foko , de vôvonjy za. Noho zany de tegna ravoravo ny foko , ary za hidera an'Azy am'fihirana. 8Yaveh no herin'ny ôla an'azy, ary izy no felofana famonjen'le vôhosony.9Vonjeo ny vahôkanao ary tahio ny lovanao. Meteza ho mpiambina ondriny ary tano mandrakizay zareo.
Chapter 29

1Salamo nataon'i Davida. Midera an'i Yaveh, anareo ry zanak'Andriamanitra! Midera an'i Yaveh noho ny voninatrany sy ny heriny. 2Ameo an'i Yaveh ny voninatra ze mendrika ny agnarany. Menkohofa akeo am'Yaveh am'famirapiratan'ny fahamasinany.3Ny feon'Yaveh de regny agnambon'ny rano betsaka ; le Andriamanitry ny voninatra no mampikotrokotroka, ary Yaveh no mampikotrokotroka an'reo rano betsaka. 4Ny feon'i Yaveh de mahery; ny feon'i Yaveh de be voninatra.5 Ny feon'ny Yaveh de mamaky an'reo sedera; ary torotoron'i Yaveh reo sederan'i Libanona.6Mampitsambikimbikina an'i Libanona salan'ny zanak'aomby izy ary Siriona ôtran'ny vantotr'aomby.7 Ny feon'i Yaveh mamôka lelan'afo.8 Ny feon'i Yaveh mampihozongozogna ny tany efitra; Yaveh mampihozongozogna ny efitr'i Kadesy.9Ny feon'i Yaveh de mampatonga ny kakazo terebinta hihetsika ary magnôfy ny hoditr'reo ala. Ny ôla daôly aigny an_tempoliny mitare hoe:"voninatra!" 10Yaveh mentotra ôtran'ny mpanjaka akeo am'tondra_drano; Yaveh mentotra ôtran'ny mpanjaka mandrakizay.11Yaveh magnome hery ny ôla an'azy; Yaveh mità ny ôla an'azy am'fedanana.

Chapter 30

1Hanandratra anao za, ry Yaveh, fa nanangana anà Anao ary tsy nagnambela an'reo fahavaloko hiravoravo akeo aminà. 2Ry Yaveh Andriamanitro, nagnantso ny famonjenao za, ka de nagnasitragna anà Anao. 3Yaveh ô, nitondra ny fagnako niakatra avy takaigny am'fiaignan_tsy hita Anao; ary nitahiry anà ho velona tsy hidigna aigny am_pasagna.4Mihirà fiderana ho an'i Yaveh, anareo ry vahôkany mahatoky! Misaora rafa mahatsaro ny fahamasinany anareo. 5Fa vetivetika ny fahasoseny; fa ny fankasitrahany kosa de mandritra ny androm_piaignana. Tonga ny fitomagnena amin'ny alina, fa ny fifalena kosa tonga ny ampolakeka.6Tamim_pahatokisana no nilazako hoe:"tsy mba hangozohozo mihitsy za". 7Ry Yaveh, noho ny fankasitrahanao de nampijanona anà ho salan'ny tanety ambo mahery Anao, fa rafa manitrika ny tarenao Anao , de ory za. 8Nagnantso an'nao za, Yaveh, ary nila sitraka avy am'Tompoko!9Ino no tombony am'fahafatesako, raha hande hidigna aigny am_pasagna za? Hidera an'nao ma ny vovoka? Hagnambara ny fahamarinanao ma zany? 10Tandrignao, Yaveh ary mamindrà fo aminà ! Yaveh ô, meteza ho mpamonjy anà.11Namadika ny fisaonako ho fandihizana Anao; nagnala ny akanjo_fisaonako Anao ary nampitafy anà tam'fifalena.12 Ka am'zao ny fagnako de hihira fiderana ho an'nao ary tsy hangigna; ry Yaveh Andriamanitro, hanolotra fisaorana ho an'nao mandrakizay za!

Chapter 31

1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Aminao ry Yaveh, no hialofako; aza avela ho megnatra za. Vonjeo am'fahamarinanao za.2 Mitandrignesa anà; maladilade hagnavotra anà; meteza ho vatolampy fialofako, ferôvana mafy hamonjy anà.3Fa vatolampiko sy ferôvana mafy ho anà Anao; Ka noho ny amin'ny agnaranao, de tarito sy tantano za.4 Ongoto amin'ny harato ze nasitrik'zareo ho anà za, fa Anao no felofako.5Akeo an-tagnanao no hagnankinako ny fagnako; hagnavotra anà anao , ry Yaveh, ry Andriamanitry ny fahamendreham-pitokisana. 6Halako ze manompo sampy zava-pôgna, fa za hatoky an'i Yaveh.7 Hifaly sy hiravoravo am'famindraponao za, fa Anao nahita ny fampahorena anà; fantatrao ny fahorem-pagnako.8Tsy natolotrao ho akeo an-tagnan'reo fahavaloko za. Anao nametraka ny tongotro ho akeo am'tany malalaka.9 Mamindrà fo aminà, Yaveh ô, fa agnaty fahorena za; miha-reraky ny alahelo ny masoko sy ny fagnako hatramin'ny nofoko.10Reraka amin'alahelo ny aignako ary ny taonako am'fisentôna. Lefy ny heriko noho ny fahotako, ary mihalany ny tôlako. 11Noho reo fahavaloko daôly, de magnamavo anà ny ôla; reo mpiara-monigna aminà marikoriko am'ze mahazo anà, ary mivarahontsagna ze mahafantatra anà. Ze mahita anà an-dalana milefa anà.12Adino ôtran'ny ôla maty tsisy miraharaha za. Ôtran'ny vilagny vaky za. 13Regniko ny bisibisiky ny maro, reo vaovao mampatatra mivôka fa miray tetika hanoitra anà zareo. Mikendry hialaka ny aignako zareo.14Fa matoky an'nao za, Yaveh; ka ozy za hoe:"Andriamanitro Anao". 15An-tagnanao ny anjarako. Avoto am'tagnan'reo fahavalo sy am'ze magnenjika anà za. 16Ampamirapirato am'mpanomponao ny tavanao; avoto am'famindramponao za.17Aza avela ho megnatra za, Yaveh ô; fa za magnantso an'nao! Ho megnatra anie ny ratsy fagna! Hangigna aigny am'fiaignan-tsy hita anie zareo.18 Ôka reo molotra mandainga ze mitare hamely ny ôla marina amim-pihantsiana miaraka am'fiavognavognana sy ny fagnamavôna hangigna.19Endre ny fahatsaranao ze notahirizinao ho an'ze magnaja an'nao, ze tantirahanao am'ze mialoka Aminao magnolôna an'reo zanak'olombelona daôly! 20Akao am'fialofan'ny fagnatrehanao, no hagnafenanao an'azy regny am'teti-dratsin'reo ôla. Manatrika an'azy reo akao am'fialofana amin'ny herisetran'ny lela Anao.21Isaorana Yaveh, fa nampiseho ny famindrampony mahagaga izy tam'za tagnaty tanàna natao fahirano. 22Na de nilaza tam'fahatairako aza za hoe:"Nofongorina teo amasonao za,"kanefa mbôla naregny ny fitaraignako vonjy Anao raha nitaraigna taminao.23Tiava an'i Yaveh, anareo ry mpagnara-de mahatoky. Yaveh miaro ny ôla mahatoky, fa mamaly tanteraka ny mpiavognavogna kosa. 24Mahereza sy mahatanjaha anareo daôly ze matoky an'i Yaveh am'famonjena.
Chapter 32

1Salamo nataon'i Davida Maskila . Sambatra ny ôla ze vôvela heloka, sy ze vôsarogna ny fahotany.2 Sambatra ny ôla ze tsy hisain'i Yaveh heloka sy ze tsisy fitaka ny fagnany.3Rafa nangigna za, de niha-osa ny tôlako, raha nisento andro lava za.4 Fa navesatra taminà andro aman'alina ny tagnanao. Nalazo salan'ny lôtaona maigna ny heriko. Sela5De niaiky ny fahotako taminao ze, ary tsy mba nasitrika mihitsy ny heloko. Ozy za hoe:"hagnambara ny hadisôko am'Yaveh za" de navelanao ny heloky ny fahotako. Sela. 6Noho zany, ze daôly masina de tokony hivavaka Aminao am'fotônan'ny fahorem-be. Ary rafa magnonja mafy ny rano, de tsy hahazo an'reo vahôka reo zany.7Anao no tôrana fisitriko; hiambina anà am'fahorena Anao. Ho didigninao am'reo hiram-pandresena za. Sela.8 Hagnatoro lalana an'nao za ka hampianatra an'nao am'ze lalana tokony handiananao. Hagnatoro lalana an'nao za ary hitsinjo an'nao ny masoko.9Aza milatahaka ny soavaly na ny ampondra, ze tsy magnana fahazavan-tsaigna; Fa am'lamboridy sy taroka fogna no hifehezana an'azy regny hande akaigny am'ze tènao hitondrana an'azy.10 Magnana alahelo maro ny ratsy fagna, fa ny famindrampon'i Yaveh kosa no hagnodidigna ze ôla mahatoky an'azy.11Mifale akao am'Yaveh, ary miravoravo, anareo ry masina; magnanôva hikam-pifalena, anareo daôly ze mahitsy fo.
Chapter 33

1Mifale akao am'Yaveh, anareo ry ôla marina, ny fiderana de mendrika ho an'ny mahitsy.2 Misaora an'i Yaveh am'lokanga; mihirà fiderana ho an'Azy am'valia tory folo. 3Mihirà fihiram-baovao ho an'azy; mitendre tsara ary mihirà am-pifalena.4Fa mahitsy ny tenin'i Yaveh, Ary ny ra-daôly ataony ara-drariny.5 Tè fahamarinana sy rariny izy. Henika ny famindrampon'i Yaveh ny tany.6 Tam'tenin'i Yaveh no namoronana ny lagnitra, ary ny kintana daôly de nataony tam'fofon'aignan'ny vavany.7Magnangona ny ranon'ny ranomasina daôly salan'ny antontan-dra izy; ataony akao am'fitahirizan-drano ny ranomasim-be.8 Ôka hatatra an'i Yaveh ny tany ray manontolo; ôka hitolagaga amin'azy ny mponin'ny tany ray manontolo. 9Fa niteny izy, de tanteraka Zany; nandidy izy, de tafapetraka zany.10Yaveh magnafôgna ny fifagnarahan'reo firenena, manapaka agnambon'ny fikasan'ny ôla izy.11 Maharitra mandrakizay ny fagnirin'i Yaveh, ny fikasan'ny fony ho an'ny taranaka iray manontolo. 12Sambatra ny firenena managna an'i Yaveh ho Andriamaniny, de ny ôla ze nofidiny ho lovany.13Mijery avy am'lagnitra Yaveh; mahita ny ôla daôly izy.14 Avy aigny am'tôrana ze hipetrahany no hitazagnany ze daôly miaigna ambonin'ny tany.15 Izy le mamolavola ny fon'izy daôly reo no man-dinika ny asanjareo daôly.16Tsisy mpanjaka vôvonjin'ny tafika leibe Zany, ary ny leilà de tsy vôvonjin'ny haleiben'ny heriny.17 Ny soavaly de fiarôvan-diso ho an'ny fandresena; na de akao aza ny tanjagny leibe, de tsy afaka mamonjy izy.18Nareo, ny mason'i Yaveh de am'ze matatra an'azy; am'ze magnantegna ny famindrampony mahatoky 19mba hagnafaka ny aignanjareo am'fahafatesana, ary mba hamelona an'njareo am'fotônan'ny silaona.20Mandigny an'i Yaveh tsika, Izy no famonjena sy ampingantsika.21 Mifaly akao amin'azy ny fontsika, satria mahatoky ny agnarany masina.22Ôka ny famindramponao mahatoky, Yaveh, no homba an'nay raha mametraka ny fagnantenanay Aminao zahay.
Chapter 34

1Salamo nataon'i Davida; tamin'izy nody adala takeo agnolônan'i Abimeleka, ze nandrôka an'azy. Hidera an'i Yaveh am'fotôna ray manontolo za, ho akeo am-bavako mandrakizay ny fiderana an'azy.2Hidera an'i Yaveh za! ôka ny ory haregny ka hifaly.3 Miderà an'i Yaveh miaraka aminà. Andao hiara-hanandratra ny agnarany tsika.4Nikaraka an'i Yaveh za de namaly anà izy, ka nagnome anà fandresena tam'tatrako ray manontolo.5 Za mijery an'azy de mamirapiratra, ary tsy mba megnatra ny tavanjareo.6 Nitomagny ty leilà ory ty ka de naregny an'azy Yaveh ary nagnavotra an'azy tam'fahoreny daôly.7Mitoby akeo am'ze matatra an'azy ny anjelin'i Yaveh ka mamonjy an'njareo. 8Andramo ka karaho fa tsara Yaveh. Sambatra ny ôla ze mialoka aminazy.9 Matahôra an'i Yaveh, anareo ry ôla an'azy masina. Tsy hanan-dra-mahaory ze matatra an'azy.10Ndraindray de tsy ampy hanina ny liona tanora ka maty noana, fa ze mikaraka an'i Yaveh kosa tsy ho orin-dra-tsara. 11Ave, zanako, mitandrignesa anà. Hampianatra an'nao ny fahatahôrana an'i Yaveh za.12Ôla iza no magniry fiaignana sy tè andro maro, mba hahita soa?13 Ka ambeso am'ratsy ny lelanao ary ambeso am'filazana lainga ny molotrao. 14Halaviro alavitra ny ratsy ary magnanôva ny tsara. Mikarà fihavanana ka araho zany.15Ny mason'i Yaveh de mitazagna ny ôla marina ary ny sofigny mitongilagna mihaino ny tomagnonjareo.16 Ny tavan'i Yaveh de manohitra ze magnano ratsy, mba hamongorana ny fahatsiarovana an'njareo aketo an-tany.17 Mitaraigna ny ôla marina ary maregny Yaveh ka mamonjy an'njareo am'fahoreny ray manontolo.18Ankekin'ny torotoro fo Yaveh, ary mamonjy ze torotoro fagna.19 Maro reo ôlagn'ny ôla marina, nefa magnafaka20 an'njareo am'zany daôly zany Yaveh. Mitana ny tôlagny daôly izy, tsisy ho tapaka zany na de raika aza.21Hamono ny ratsy fagna ny loza. Ho vôheloka reo ze mankahala ny marina. 22Mamonjy ny aignan'reo mpanompony Yaveh. Tsisy ho vôheloka reo ze mialoka akao aminazy.

Chapter 35

1Salamo nataon'i Davida. Yaveh ô, miasà am'ze miasa hanohitra anà; miadia am'ze miady aminà. 2Raiso ny ampinga kely sy ampinga gedanao; mitsangàna ka ampeo za. 3Ampiasao am'ze mihaza anà ny sabô sy ny famaky fedenao; lazao am'fagnako hoe:"za no famonjena an'nao".4Ôka ho megnatra sy ho afa-baraka ze mikendry ny aignako. Ôka hiamboho sy ho very hevitra ze mitetika hagnisy ratsy anà.5 Ôka ho salan'ny ofoka magnolôna ny rivotra izy reo, raha mandrôka an'njareo ny anjelin'i Yaveh.6 Ôka ho maizigna sy malama ny lalanjareo, rafa magnenjika an'azy ny anjelin'i Yaveh.7Mametraka ny haratony ho anà tsy amin'antony izy reo; mangady lavaka ho an'ny aignako tsy amin'antony zareo. 8Ôka hamely tampoka an'njareo ny fandringanana. Ôka ny harato ze napetrak'zareo ihany no hahavô an'azy. Ôka zareo ho lavo akao, de akao am'faharinganany.9Nefa hijaly am'Yaveh za, ary hiravoravo am'famonjeny. 10Ny tôlako daôly hagnano hoe:"Ry Yaveh ô, iza no ôtra an'nao, ze mamonjy ny ony am'reo ze matanjaka loatra ho an'njareo ary ny malahelo sy ny mahantra am'ze mikaraka handrava an'njareo?".11Mitsangàna ny vavolombelona tsy marina; miampanga lainga anà zareo. 12Mamaly ratsy anà zareo ho am'soa. Malahelo mafy za.13Nefa, taminjareo narary, de nagnano akanjo fisaonana za; nifady hahanina ho an'njareo za tam'fagnondrehako ny lôko takeo am'tratrako. 14Nalahelo mafy salan'ny amin'ny an'ny rahalàko za.15Nefa raha tafintohina za, de nifaly zareo ka nifamory; niara-niangona hanohitra anà zareo, ka de taitra za. Tsy nijanona nandrovidrovitra anà zareo. 16Tsisy fifagnajana ntsony ny fagnesony anà; mihidy vazagna taminà zareo.17Tompo ô, mandrak'hovena no hitazagnanao anà? Vonjeo am'fandringananjareo ny fagnako, ary ny aignako am'liona.18 Ka hisaotra an'nao akao am'fengonan-deibe za; hidera an'nao akao amin'ny ôla maro za.19Aza avela hifaly akeo aminà ny fahavaloko mpamitaka; ôka zareo tsy hahatanteraka reo teti-dratsiny. 20Fa tsy mba mikoragna fihavanana zareo, fa kosa mitetika hilaza fitaka am'ze miaigna amim-piadanana akao am'taniny.21Manoka-bava hivazavaza anà izy reo; ozy zareo hoe:"Aha, Aha, ny masony no efa nahita an'zany". 22Efa nahatazagna an'zany Anao, ry Yaveh, ka aza mangigna; Tompo ô, aza magnalavitra anà.23 Mitsangàna ary mifohaza ho ferôvako; ry Andriamanitro sy Tompoko, tohagno ny adiko.24Arovo za, ry Yaveh Andriamanitro, noho ny fahamarinanao; aza avela hifaly akeo aminà zareo.25 Ôka zareo tsy hagnano agn'eritreritra hoe:"Aha, azonay ze nirinay."Ôka zareo tsy hagnano hoe:"efa levonay izy".26 Atavo megnatra sy very hevitra ze te hagnano ratsy anà. Ôka hitafy hegnatra sy fahafaham-baraka ze magneso anà.27Ôka hikikika am-pifalena sy ho ravo reo ze nirary ny fagnamarinana anà; ôka zareo hitare mandrakariva hoe:"Ho deraina anie Yaveh, Izy le mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony".28 De hanambara ny fahitsinao sy hidera an'nao amin'ny andro daôly za.
Chapter 36

1Avy akao am-pony laligna no hilazan'ny ôla ratsy ny helogny, tsisy fahatahôrana an'Andriamanitra akeo am'masony. 2Fa mampionontegna izy, mihevitra fa tsy ho hita zany mihitsy ny fahotany ary tsy ho ankahalaina.3Fahotana sy fitaka ny tare ataony; tsy te hendry sy hagnano soa izy.4 Mikaraka fomba hagnotana izy, raha mandry akeo am-pandrena; managno fomba ratsy izy; ary tsy manda ny ratsy.5Ny famindramponao, Yaveh, de mipàka am'lagnitra; ary ny fahatokinao mahatakatra ny rôndro. 6Ny fahamarinanao de salan'ny tendrombohitr'Andriamanitra; ny fitsaranao de salan'ny lalim-be. Yaveh ô, Anao no mitahiry ny ôlombelona sy ny biby.7Ndreo ny hasarobidin'ny famindramponao, Andriamanitra ô! Mialoka akeo ambany aloky ny elatrao ny ôlombelona. 8Ho afa-po tanteraka zareo amin'ny habetsaky ny hahanina akao an-dragnonao; Anao hamela an'azy reo hisotro am'reniranom-pitahianao sarobidy.9 Fa ao aminao no misy ny lôharanon'aigna; akao am'fahazavanao no hahitanay hazavana.10Hitaro tanteraka am'reo ze mahafantatra an'nao ny famindramponao, ary ny ferôvanao am'ze mahitsy fo.11 Aza avela hagnatogna anà ny tongotry ny mpiavognavogna.12 Aza avela handrôka anà ny tagnan'ny ratsy fagna. Tany no efa nahalavo an'reo mpagnano ratsy; lavo izy reo ka tsy afaka miarina.

Chapter 37

1Salamo nataon'i Davida. Aza tsiravina am'reo mpagnano ratsy; aza magniry ze tsy marina.2 Fa ho maigna tsy ho ela salan'ny bozaka izy reo ary halazo salan'ny zava-maitso.3Matoke an'i Yaveh ary magnanôva ny tsara; mipetraha am'tany ka miveloma am'fahatokena. 4Miravoravoa am'Yaveh, de ameny an'nao ze irin'ny fonao.5Atoloro an'i Yaveh ny lalanao; matoke an'azy, de hiasa ho anao izy. 6Hampibôgna ny fahamarinana salan'ny andro mazava izy ary ny tsy fahamelôhanao salan'ny andro am'an-jerign'andro.7Milamina magnolôna an'i Yaveh ary mandignesa an'azy amim-paharetana. Aza sosy raha misy ôla mahomby am'ra ataony, na rafa magnano teti-dratsy izy.8Aza sosy sy kivy. Aza magna. Mahatonga korontagna fôgna zany.9 Ho fongotra reo mpagnano ratsy, fa ze mandigny an'i Yaveh kosa de handova ny tany.10 Afaka fotôna foika de hanjavona ny leilà ratsy fagna; hijery ny tôrany anao, fa izy kosa ho lasana.11Fa ny malemy fagna de handova ny tany ary hisitrika am'fagnambinana gedabe. 12Magnano tetika ratsy hanohitra ny marina ny leilà ratsy fagna ary mihidy vazagna aminazy. 13Mimeme an'azy ny Tompo, satria hita fa tonga ny androny.14Namôka ny sabany ny ratsy fagna ary magnenjagna ny tsipika an'azy mba hampahalavo ny ory sy mahantra, mba hamono an'reo ze mahitsy.15 Ny fonjareo ihany no hitsatôn'ny sabatra an'azy, ary haratra ny tsipika an'azy.16Tsara kokô ny kely hanagnan'ny marina noho ny habetsaky ny an'reo ôla ratsy fagna. 17Fa hotapahana ny sandrin'ny ôla ratsy fagna, fa Yaveh kosa manôgna ny ôla marina.18Yaveh de miambina ny mahitsy isan'andro isan'andro, ary ny lovanjareo de ho mandrakizay.19 Tsy ho megnatra zareo am'fotôna ratsy. Rafa tonga ny silaona, de hagnana ny ampy hohanina zareo.20Ho ringana ny ôla ratsy. Ho salan'ny voninatran'reo saha reo fahavalon'i Yaveh; ho vôteligna zareo ary ho levona ho setroka.21 Ny ôla ratsy fagna de mindrana fa tsy mamerigna, fa ny ôla marina kosa malala tagnana sy magnome.22Ze vôtahin'Andriamanitra no handova ny tany; fa ze vôozogna kosa de ho fongotra . 23Amin'ny alalan'i Yaveh no mahatomombagna ny den'ny ôla, de lalan'ny ôla ze azo baikona akeo amason'Andriamanitra.24 Na de tafitona aza izy, de tsy mba ho lavo, satria mitana an'azy am'tagnany Yaveh.25Tanora za fahiny fa antitra am'zao; tsy mbôla nahita ny ôla marina nilôsana za na ny zagnany nangataka mofo. 26Miantra mandrakariva izy ary mampindrana, ka de manjary fitahina reo zanagny.27 Mialà am'ratsy ary magnanôva ze marina; de hilamina mandrakizay anao.28Fa tè rariny Yaveh ary tsy mandôsa an'reo mpanara-de an'azy mahatoky. Vôtahiry mandrakizay zareo, fa reo taranaky ny ratsy fagna kosa ho fongotra.29 Handova ny tany ny marina ary hipetraka akao mandrakizay. 30Ny vavan'ny ôla marina de mitare fahendrena ary mampitombo rariny.31Ny lalànan'ny Andriamaniny de akao am-pony; tsy ho solafaka ny tongony.32 Mijery ny ôla marina ny ôla ny ôla ratsy fagna ka mikaraka hamono an'azy. 33Tsy hagnambela an'azy ho akeo an-tagnan'ny ôla ratsy Yaveh na hagnameloka an'azy rafa tsaraina izy.34Mandignesa an'i Yaveh ary tandrovo ny lalany, de hanandratra an'nao izy mba hanagnanao ny tany. De ho hitanao refa fongotra ny ratsy fagna.35Efa nahita ny ratsy fagna sy ôla mampihorohoro niparitaka salan'ny kakazo maitso akao an-taniny za.36 Fa refa nandalo takeo ndre za, de tsy takeo izy. Nikaraka an'azy za, fa tsy hita izy.37Araho maso ny ôla mahitsy, ary farito ny ôla marina; fa hisy ho avy tsara ho an'ny ôlan'ny fiadanana.38 Ho ringana tanteraka reo mpagnota; fongonany ho avin'ny ôla ratsy fagna.39Ny famonjena ny marina de avy am'Yaveh; miaro an'azy reo izy amin'ny androm-pahorena.40 Magnampy an'azy reo Yaveh ka magnavotra an'azy reo. Magnavotra an'azy reo amin'ny ôla ratsy izy ary mamonjy an'azy reo satria efa nialoka taminazy.
Chapter 38

1Salamo nataon'i Davida, mba hitondrana fahatsiarovana. Yaveh ô, aza magnavy anà amin'ny fahasosenao; ary aza magnasazy anà amin'ny fahavigniranao.2 Fa manindrogna anà ny zana-tsipikanao, ary manindry anà ny tagnanao.3Marary noho ny hasosenao ny tavako daôly; Tsisy fahasalamana akao amin'ny tôlako noho ny fahotako.4 Fa magnenika anà ny heloka; ary lasa enta-mavesatra ho anà iregny.5Manaintaigna ireo ratrako ary mamofona noho'reo adalàko.6 Mitagnondrika za ary afa-baraka isan'andro; misaona isan'andro isan'andro za.7Fa akao agnatiko, de feno firehetana, Tsisy fahasalamana amin'ny nofoko.8 Trotraka za ary torotoro tokotra; misento noho ny fangirifirin'ny foko za.9Tompo ô, fantatrao ny fagnirina tegna laligna akao ampoko, ary tsy misitrika aminao ny alaheloko.10 Midobodoboka ny foko, miha kely ny heriko, jamba ny fahitan'ny masoko.11Ireo namako sy ireo mpiara-mitory aminà de magnalavitra anà noho ny ra-mahazo an'azy; mitsangana mihataka anà ireo namako.12 Mamela-pandrika anà ireo ze mikendry hamely ny aignako. Ireo ze mikendry ny handratra anà miteny fandrahognana ary milaza teny fitaka ny androm-piaignany.13Fa za kosa, de ôtran'ny ôla maregnina ary tsy maregny na ino na ino; salan'ny ôla môgna tsy miteny na ino na ino.14 Ôtran'ny leila tsy maregny sy tsy managna valin-teny za.15Mandigny an'nao tokô za, ry Yaveh ô; hamaly anao ry tompo Andriamanitro. 16Milaza an'izany za mba tsy ho faly aminà ireo fahavaloko. Raha solafaka ny tongotro, de hagnano zava-doza aminà zareo.17Fa efa tafitohina za, ary manaintaigna fôgna.18 Miaiky ny heloko za; ka magnà ny amin'ny fahotako.19Kanefa maro agn'isa ireo fahavaloko; maro ireo ze mankahala anà amin'ny tsisy dikany.20 Mamaly ratsy anà noho ny soa zareo; mandefa laza ratsy anà zareo na de nagnaraka ny tsara aza za.21Aza mandôsa anà, ry Yaveh ô; Andriamanitro; ary aza magnalavitra anà. 22Tongava malaky hamonjy anà, ry Tompo, mpamonjiko.
Chapter 39

1Ho an'ny mpiventy hira, ho an'i Jedotona. Salamo nataon'i Davida. Nanapa-kevitra za fa :"hitandrina an'ze lazaiko za mba tsy hagnorataka amin'ny lelako. Hofeheziko ny vavako raha akeo agnatrehan'ny ôlon-dratsy.2Niezaka nangina za; tsy nitare za na de tamin'ny fitaravana ny tsara aza, ary vô maika nitombo ny fanaintaignako. 3Niha-nafana ny foko; rafa nihevitra ny momba an'ireo ra'reo za, de niredareda otran'ny afo zany. De niteny fôgna za nony farany.4Yaveh ô, ampafantaro anà ze fiafaran'ny aignako sy ny androko sisa. Atoro anà fa mandalo za. 5Fa efa nataonao salan'ny zehin'ny tagnako fôgna ny halavan'ny androko, ary ôtran'ny tsinotsino akeo agnatrehanao ny androm-piaignako. Tokana monja tokôtra ny fofonaignan'ny ôla daôly. Sela6Mandende salan'ny aloka tokô ny ôla daôly, Meka hagnangona harena daôly tokô ny ôla daôly na de tsy hain-jareo aby aza ze handray an'zany.7 Am'zao fotôna izao, Tompo ô, ino ny dignesako? Anao rerika no fagnantegnako.8Avòto amin'ny fahotako za; aza magnano anà ho fagnakoran'ny adala. 9Nangina za ary tsy nilô-bava, satria anao no efa nagnano an'izany.10Ôka zay ny fandratrana anà; manafotra anà ny fitsokan'ny tagnanao.11 Refa magnafay ôla noho ny fahotana anao, de mandevona an'ireo ra ze iriny salan'ny kalalao; azo antoka tokô fa tsinotsino ny ôla daôly fa zava-pôgna. Sela12Henoy ny fivavako, ry Yaveh, ary mihaino anà; mandrignesa ny ranomasoko! Aza manampin-tsofigna aminà, fa ôtran'ny ôlon-kafa za aminao, salan'ny mpitsô-ponenana ôtran'ireo razambeko daôly. 13Alao aminà ny sazinao mba ahafako mitsiky ndre mialôn'ny ahafatesako.

Chapter 40

1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Nandigny an'i Yaveh tamin'ny faharetana za; nihaino anà izy ary naregny ny taraignako.2 Nitondra anà niakatra avy tao andavaka matsiravina izy; sy avy tao amin'ny fotaka mangoraka, ka nampitsangana ny tongotro teo ambony vatolampy izy ary niaro ny deko.3Naseny fihiram-baovao teo amin'ny molotro. dera ho an'Andriamanitsika. Maro no hatazagna an'izany ka hagnome voninahitra an'azy sy hitoky am'Yaveh.4 Sambatra ny ôla ze magnano an'i Yaveh ho tokiny sy tsy magnome voninahitra ny mpirehareha na ze mpivadika aminazy ho amin'ny lainga.5Efa maro tokô ry Yaveh Andriamanitro ireo asa mahagaga zay efa vitanao, ary tsy tambo isaina ny fihevitrao an'nay, raha magnambara sy milaza an'ireny za, de mandombolombo an'ze azo isaina iregny. 6Tsy mankasitraka sorogna na fagnatitra Anao, fa nanokatra ny sofiko; tsy mba mangataka fagnatitra dôrana na fagnatitra noho ny ôta anao.7De ozy za hoe:"Inty efa tonga za, vôsoratra akao amin'ny horognam-boky ny momba anà.8 Sitrako ny hagnano ny sitra-ponao, Andriamanitro ô; akato am-poko ny lalànao". 9Efa nagnambara vaovao mahafalin'ny fahamarinanao tamin'ny fiangonan-deibe za; Yaveh ô, fantatrao fa tsy nangina tamin'ny fagnanaovana an'izany ny molotro.10Tsy nokobogniko takato am-poko ny fahamarinanao; efa nambarako ny fahatokinao sy ny famonjenao; tsy nikobogniko tamin'ny fiangonan-deibe ny fagnikem-pitokisanao sy ny famendrem-pitokianao. 11Aza manakana ny asan'ny famindram-ponao tsy ho aminà, ry Yaveh; ôka ny famindramponao sy ny fahamarinanao no hiaro anà mandrakariva.12Magnodidigna anà ireo fahorena ze tsy tambo isaina; nahazo anà'reo heloko fa tsy afa-mahita na ino na ino intsony za; betsaka noho ireo volon-dôko izany, ary ketraka ny foko. 13Mifalia, ry Yaveh ô, amin'ny fagnavotana anà; malade hamonjy anà, Yaveh ô.14Ôka zareo ho megnatra sy hangahiahy tanteraka ze mikendry hangala ny aignako. Ôka zareo hiamboho sy ho megnatra, de ze faly amin'ny fampijalina anà. 15Ôka ho tohina noho ny fahafam-barakany zareo, de ze magnano amina hoa:"Ahah, Ahah!".16Fa ôka hiravoravo sy hifaly aminao ze daôly mikaraka an'nao; Ôka ny daôly te ny famonjenao hiteny isan'andro isan'andro hoe:"ho deraina ane Yaveh". 17Mahantra sy ory za; nefa mihevitra ny momba anà ny Tompo. Anao famonjena ho anà ary tonga amin'ny fagnavotana anà Anao; aza mivagnavagna Andriamanitro ô.
Chapter 41

1Hoan'ny mpiventy hira, Salamo nataon'i Davida. Sambatra ze mahatsiaro ny osa, amin'ny androm-pahorena, no hagnavotan'i Yaveh an'azy.2 Hiaro sy hitandrina an'azy tsy ho foaty Yaveh, ary de ho sambatra aketo ambonin'ny tany izy; tsy hamadeka an'azy amin'azy amin'ny sitrapon'reo fahavalony Yaveh. 3Hanôgna an'azy akeo amin'ny fandren'ny fijalina Yaveh; hagnano ny fandren'ny aretina ho fandren'ny fagnasitragnana anao.4Ozy za hoe:"Yaveh ô, mamindrà fo aminà! sitragno za, fa efanagnota taminao".5 Miteny ratsy anà reo fahavaloko, magnano hoe:"vena izy no hofoaty ary ny agnarany de ho levona? 6Raha tonga mba hizaha anà ny fahavaloko, de miteny ra tsisy varany ny fony fôgna no magnangona an'ireo lozako ho am'zany; refa nandôsa ana izy, de milaza ny momba an'izany amin'ny hafa.7Ze mankahala anà daôly de miara-mitakoritsika mamely anà; magnantegna ny handratra anà zareo.8 Ozy zareo hoe:"Aretin-dratsy no mifikitra mafy amin'azy; zao izy mandry zao, de tsy hitsangana intsony". 9Eny fa na de ny namako ankeky aza, ze natokisako, sy ze nihinana ny mofoko, de efa nagniainga ny vodin-tongony hanoitra anà.10Fa anao Yaveh ô, no manàgna famindram-po aminà ary atsangano za hahafahako mamaly an'azy ireo.11 Am'zany no ahafantarako fa faly aminà anao. Satria tsy mandresy akeo aminà ny fahavaloko.12 Raha ny aminà, de magnampy anà amin'ny fahitsina anao ary hitana anà akeo agnatren'ny tavanao mandrakizay.Hoderaina rahatr'zay ka ho mandrakizay ane Yaveh. Andriamanitr'Israely. Amena de Amena. Boky faharô.
Chapter 42

1Ôtran'ny diera magniry rano mikorigna mafy, ny hetahetako an'nao, Andriamanitra ô. 2Mangetaheta an'Andriamanitra za, de le Andriamanitra velona. Vena ma za ny ho tonga sy hibôgna akeo agnatrehan'Andriamanitra?3Ny ranomasoko no mba ahaniko andro aman'alina, raha mitare aminà isan'andro isan'andro ireo fahavaloko hoe:"aiza ze Andriamanitrao?". 4Ireto ra'reto no tonga tan-tsaignako raha mandraraka ny fagnàko za:ny nandianako niaraka tamin'ny vahôka sy nitaritako an'jareo tao an'dragnon'Andriamanitra tamin'ny hiakam-pifalena sy fiderana, fankalazana maro be ny firavoravôna.5Nagnino no mitagnondrika anao, ry fagnàko? Nagnino ma anao no tafitona tagnatiko? Magnantignà an'Andriamanitra, fa mbôla hidera an'azy ze famonjena anà ndre za.6 Andriamanitra ô, ny fagnako mitagnondrika akao agnatiko, noho izany de mahatsiaro an'nao aigny amin'ny tanin'ny Jordana za, aigny amin'ny tendrony telon'ny tendrombotr'i Hermona, sy aigny amin'ny tanetin'i Mizara.7Ny laligna magnantso ny laligna akao amin'ny tabataban'ireo rihandranonao; ireo onjanao sy ireo olon-dranonao daôly efa nanafotra anà. 8Nefa Yaveh handidy ny famindrampony nony antoandro; ary amin'ny alina de homba anà ny hirany, ary vavaka raika ho an'Andriamanitry ny fiaignako.9Za hitare am'Andriamanitra, vatolampiko hoa:"Nagnino no de nagnadino ana anao? Nagnino ma za no hande hisaona noho ny fampahorin'ny fahavalo?" 10Salan'ny fisin'ny sabatra akeo amin'ny tôlako, no itaravan'ireo mpandrafeko anà, raha milaza aminà isan'andro isan'andro zareo hoe:"aiza ze Andriamanitrao?".11Nagnino ma no mitagnondrika anao, ry fagnako? Nanigno no tohina akato agnatiko anao? Magnantegnà an'Andriamanitra, fa mbôla hidera an'azy ze famonjena anà sady Andriamanitro za.

Chapter 43

1Omeo rariny za, Andriamanitra ô, ary edivo ny adiko hanoitra an'ireo firenena tsy masina.2 Fa Anao ny Andriamanitry ny heriko. Nagnino de nagnary anà Anao? Nagnino ma za no hande hisaona noho ny fampahorin'ny fahavalo anà?3Alefaso ny fahazavanao sy ny fahamarinanao, ôka iregny no hitarika anà, ôka iregny hitondra anà hankaigny amin'ny tanety masina sy aigny amin'ny fonenanao.4 De hande aigny amin'ny alitaran'Andriamanitra za, ary aigny amin'Andriamanitra ze tegna fefaliko. Hidera an'nao amin'ny vali za, Andriamanitra ô, Andriamanitro.5Nagnino no mitagnondrika anao, ry fagnako? Nagnino no manjoretra akato agnatiko anao? Magnantegnà an'Andriamanitra, fa mbôla hidera an'azy ze famonjeko sy Andriamanitro za.
Chapter 44

1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i kora. Maskila. Regninay tamin'ny sofignay, Andriamanitra ô, nolazan'ireo razambenay taminay ny asa nataonao tamin'ny andron-jareo tamin'ny andro talô. 2Noroasinao tamin'ny tagnanao ireo firenena, fa nambolenao kosa ny vahôkanay; Nampahory an'ireo ôla Anao, naparitakao tamin'ny tany kosa ny vahôkanay.3Fa tsy azon-jareo mba ho fagnanana tamin'ny sabatry zareo fôgna ny tany, ary na ny sandrin-jareo manokana aza tsy nahavonjy an'azy ireo; nefa ny tagnanao ankavanana, sy ny sandrinao, ary ny fahazavan'ny tavanao, satria tsara taminjareo Anao.4 Andriamanitra ô, Anao no mpanjakako; didio ny fandresena ho an'i Jakoba.5Amin'ny alalanao no hanoheranay an'ireo mpifagnandrina aminay; amin'ny agnaranao no hagnosihosenay an'azy ireo, de ireo ze mitsangana hanoitra anay.6 Fa tsy hitoky amin'ny tsipìkako za, na ny sabatro hagnavotra anà7Fa efa nagnavotra an'nay tam'ireo mpifagnandrina aminay Anao, ary nampamegnatra an'reo nankahala an'nay. 8Akao amin'Andriamanitra no efa nagnanaovanay ny fireharehanay amin'ny andro lava daôly, ary hisaotra ny agnaranao mandrakizay izahay. Sela9Fa am'izao de efa nagnary anay Anao ka nitondra an'nay tamin'ny fahafambarakany, ary tsy nivôka niaraka tamin'ny tafikay anao. 10Nampihemotra anay tam'ireo mpandrafy anao; ary ze mankahala an'nay nambabo ny harena ho an'azy ireo.11 Anao magnano an'nay ôtran'ny ondry nalahatra ho fihinana ary namely an'nay tam'reo firenena.12Mivarotra an'ireo vahôkanao amin'ny tsy antony Anao; tsy nampitombo ny harenanao tamin'ny fagnanaovana an'izany.13 Magnano an'nay ho fagnakorana an'ireo namanay Anao, esoesoina sy hanihanin'ireo magnodidigna anay.14 Magnano an'nay ho faniratsirana akeo am'reo firenena Anao, de mihifikifi-dô akeo am'reo olo-maro.15Magnolôna anà andro lava ny fahafaham-baraka daôly, ary mandrakotra anà ny hegnatry ny tavako.16 Noho ny feon'ny ze miteny mafy sy maniratsira anà, noho ny fahavalo sy ny mpamaly faty.17 Tonga aminay daôly zany ra daôly izany; nefa tsy niala an'nao zahay na tsy nankatò ny fanekem-pihavananao.18Tsy niverin-dalana ny fonay; tsy niala tamin'ny lalanao ny denay.19 Nefa anao namotika mafy anay teo amin'ny tôran'ny ambôdia ary nandrakotra an'nay tamin'ny aloky ny fahafatesana.20 Raha nagnadino ny agnaran'Andriamanitra izahay na namelatra ny tagnanay tamin'Andriamani-kafa,21 nga tsy hikaraka an'izany ma Andriamanitra? Fa mahay ny tsiambaratelon'ny fo izy.22 Eny tokô, noho ny Aminao no hamonona an'nay amin'ny andro lava daôly; heverina ho salan'ny ondry hande hovonona izahay.23Mifohaza, nagnino ma no mandrimandry anao, Tompo ô? Mitsangàna, aza magnary an'nay tanteraka.24 Nagnino de manitrika ny tavanao Anao ary tsy tsarônao ny fahorenay sy ny fampahorena an'nay?25Fa miempo agnaty jofo izahay; ireto nofonay mifikitra amin'ny tany. 26Mitsangàna ho famonjena an'nay ary avoto amin'ny fagnikena mahatoky izahay.

Chapter 45

1Mampiboiboika foto-kevitra tsara ny foko; hovaliko mafy ireo teny ze narafitro momba ny mpanjaka, ny lelako no penin'ny mpanoratra mahay. 2Anao mbôla tsara mandombolombo ny zanak'ôlombelona; fahasoavana no mivôka akeo amin'ny molotrao; noho izany de fantatray fa Andriamanitra no efa nitaha an'nao mandrakizay.3Apetrao akeo agnilanao ny sabatrao, ry le mahery, amin'ny voninahitrao sy fahalebiazanao.4 Amin'ny fahalebiazanao de mandiana, amim-pandresena noho ny fahamendrem-pitokisana, amin'ny fahalemem-pagnahy, sy ny fahamarinana; hanoro an'nao ra mampatatra ny tagnanao ankavanana.5Maragnitra ireo zana-tsipìkanao; lavo-ambaninao ny vahôka; akao amin'ny fon'ireo fahavalon'ny mpanjaka ireo zana-tsipikanao.6 Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, de mandrakizay doria; tehinan'ny rariny ny tehinan'ny fanjakanao.7 Te fahamarinana Anao ary mankahala faharatsena; noho izany Andriamanitra le Andriamanitrao, de efa nagnosotra an'nao tamin'ny menaka fifalina mandombolombo an'reo namanao.8Ny akanjonao daôly mamofona miora sy vagna, ary kasia; efa nampifaly an'nao ireo vale aigny avelagnin'ny lapa ivoara. 9Ny zanaka vavin'ny mpanjaka de isan'ireo veivavy manan-kaja; akeo an-tagnana ankavananao no mitsangana ny mpanjakavavy mitafy volamenan'i Ofira.10Mihainô, ry zanaka vavy, mandinÿ ary atongelagno ny sofignao; adinòy ny vahôkanao sy ny tragnon-drainao.11 Am'zany no hagnirin'ny mpanjaka ny hatsaranao, izy no Tomponao, hajao izy.12Ny zanaka vavin'Tyro de ho aigny ka miaraka amin'ny fagnomezana; ny mpanan-karena amin'ny ôla de hitalao ny fankasitrànao.13 Ny zanaka vavin'ny mpanjaka akao andapa de be voninahitra; ny fitafiny de natao tamin'ny volamena.14Ndesina akeo amin'ny mpanjaka amin'ny tohitegna misy petakofehy izy; ireo viriny, namany ze magnaraka an'azy, de hondesina aminao.15 Hotaritina amim-pifalina sy firavoravôna zareo; hiditra akao andapan'ny mpanjaka zareo.16Aigny amin'ny fitôran'ireo razagnao no hisy an'ireo zanakao, ze ataonao andriana erany tany daôly.17 Hampatsiaro ny agnaranao amin'ny taranakao daôly za; noho izany ny vahôka de hanolotra fisaorana an'nao mandrakizay doria.

Chapter 46

1Andriamanitra no felofanay sy herinay, famonjena mahatoky amin'ny fahorena. 2Noho izany de tsy matatra izahay, na de tokony hiova aza ny tany, 3na de tokony hangovitrovitra aigny ampovon-dranomasina aza ireo tendrombotra, na de mirahondraogna sy misamboaravoara aza ny fisafôkany ranony, ary na de mangovitra miaraka amin'ny fisafôkany aza ny tendrombotra. Sela4Misy ogny akao, ny fekorignan'izany de mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, de ny fetôrana masin'ireo tabarnakelen'ny Avo indrindra.5 Andriamanitra no akeo ampovony; ka tsy mihetsika izany. Andriamanitra no hagnavotra an'azy, ary hagnano an'izany amin'ny vômangiran-dratsy izy.6Romotra ireo firenena ary vôhozongozona ireo fanjakana; nampaka-peo izy, ka niempo ny tany. 7Momba antsika Yaveh tompon'ny maro, de le Andriamanitr'i Jakoba no fialofanay. Sela8Ave, fa ireo ny asan'i Yaveh, ny fandravàna an'ze efa nataony taigny amin'ny tany. 9Foagnany hatraigny amin'ny vazan-tany ny ady; mamotipotika ny tsipika izy ary manapatapaka ny sabo, mandoro ny ampinga izy.10Aza mikoropaka ary fantaro fa za no Andriamanitra; Ho akarina akeo am'reo firenena za; ho asandratra ambonin'ny tany za. 11Momba antsika Yaveh tompon'ny maro; de le Andriamanitr'i Jakoba no fialofantsika. Sela

Chapter 47

1Hoan'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i kora. Mitehàfa tagnana anareo ry vahôka daôly; mihobÿ an'Andriamanitra amin'ny feon'ny fandresena. 2Fa Yaveh Avo indrindra no mampatatra; Izy no mpanjaka leibe magnerana ny tany daôly.3Fa mandresy an'reo ôla akeo ambanintsika Izy ary ireo firenena akeo ambany tongotsika. 4Mifidy ny lovantsika ho antsika izy, de ny voninahitr'i Jakoba ze te-ny. Sela.5 Efa niakatra tamin'ny fihobina Andriamanitra, Yaveh tamin'ny feon'ny Trompetra.6Mihirà fiderana ho an'ny Andriamanitra, mihirà ho an'le mpanjakantsika, mihirà fiderana.7 Fa Andriamanitra no mpanjaka magnerana ny tany daôly, mihirà fiderana amin'ny fahazavan-tsaigna.8Manjaka magnerana an'ireo firenena maro Andriamanitra, mipetraka ambonin'ny seza fiandrianany masina Izy.9 Ireo andrianan'ireo ôla miangona amin'ny vahôkan'Andriamanitr'i Abrahama; fa ireo ampingan'ny tany de Andriamanitra; Izy no asandratra indrindra.
Chapter 48

1Lehibe Yaveh ary tokony hoderaina indrindra, akao antanànan'Andriamanitsika akeo antendrombotrany masina. 2Agnambo sy mahafinaritra, ny fifalin'ny tany daôly, de ny tendrombohitr'i Ziona, akeo amin'ny ilany avaratra, le tanànan'ny mpanjaka leibe. 3Andriamanitra de nampafantatra ny tegnany tao am'reo lapany ho fialofana.4Fa ireo, mpanjaka niangona; de niara-nandalo zareo.5 Natazana an'azy zareo, ka de gaga; sy raiki-tahatra, sy nilefa nalaky. 6Nitàna mafy an'azy ireo taigny ny fangovitana, ary ny fanaintaignana ôtran'ny veivavy akeo am-piterahana.7Amin'ny alalan'ny rivotra avy tambony no hamakinao an'ireo sambon'ny Farisisy. 8Araka ze efa regninay, no hitanay tao antananan'i Yaveh tompon'ny maro, Takao antanànan'Andriamanitray; hampipetraka an'izany mandrakizay ane Andriamanitra. Sela9Efa nisaigna ny momba ny fagnikena mahatoky izahay, Andriamanitra ô, takeo ampovon'ny tempolinao. 10Araka ny agnaranao, Andriamanitra ô, de izany kô no fiderana Anao hatraigny am'reo vazan-tany; feno fahamarinana ny tagnanao an-kavanana.11Ôka ho ravoravo ny tanetin'i Ziona, ary ôka hifaly ireo Zanaka vavan'i Joda noho ny didinao marina.12Mandiana magnerana ny tanetin'i Ziona, magnodidigna aminazy; isao ny tilikambony, 13hamarino tsara ny mandany, ary zahao ireo lapany mba hahafahanao mitantara an'izany amin'ny taranakao ho avy.14Fa io Andriamanitra io no Andriamanintsika mandrakizay doria; izy no mpitari-dalana an'tsika hatraigny amin'ny fahafatesana.

Chapter 49

1Hoan'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Mitainô an'izao, anareo ôlo daôly; manongilàna sofigna, anareo mponin'tany daôly,2 na ampidigna na agnambo, na manan-karena na mahantra miaraka.3Ny vavako hilaza fahendrena ary ny fisaintsaignan'ny foko hilaza fahazavan-tsaigna.4 Hanongilan-tsofigna amin'ny fagnoharana za; hanomboka ny fagnoharako amin'ny vale za.5 Nagnino za no tokony hatatra an'ireo andro ratsy, raha magnodidigna anà akeo amin'ny vodi-tongotro ny heloka?6Nagnino za no tokony hatatra an'ireo ze mitoky amin'ny hareny sy mirehareha amin'ny haben'ny fanagnany?7 Azo antoka tôko fa tsisy afaka hahavonjy ny rahalany na hagnome tambiny an'Andriamanitra ho an'Azy, 8fa ny avotr'aigna de lafo, ary tsisy afaka hagnefa ny tokony honerantsika.9Tsisy afa miainga mandrakizay izany ka tsy haratra ny nofony.10 Ahita faharatesana izy. Fa ireo olon-kendry ho faty; ny adala sy ny maherisetra samy ho potika sy hamela ny hareny hoan'ny hafa.Ny fiheveran-jareo de ny fianakaviny hitohy mandrakizay, ary ireo tôram-ponenany, de ho an'ireo taranagny; antsoviny araka ny agnarany kô ny tanin-jareo.12Fa ny ôla, magnano harena kosa, de tsy ho velona; ôtran'ireo biby ze ho velona.13 Izany, lalan-jareo izany, no ho fahadalany; kanefa afaran-jareo, de ankasitrahan'ny ôla ny fomba fiteniny, Sela14Ôtran'ny ondry no nanendrena an'azy ireo ho amin'ny fiainan-tsy hita, ary fahafatesana no mpiambina an'azy ireo. Ny ôlo-marina hanapaka akeo amin-jareo nony ampolakeka, ary ho levona aigny amin'ny fiaignan-tsy hita ny nofony, ka tsy hisy tôrana hipetran-jareo. 15Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aignako amin'ny herin'ny fiaignan-tsy hita handray anà izy. Sela16Aza matatra fa raha misy ôla nanjary mpanan-karena, ary mitombo ny voninahitry ny fianakaveny. 17Fa rafa maty izy de tsy hitondra na ino na ino; tsy hidigna hagnaraka an'azy ny voninatrany.18Niarahaba tegna izy raha mbôla niaigna_ary midera an'nao ny ôla rafa miaigna ho an'ny tegnanao anao_19 Hande aigny amin'ny taranak'ireo razagny izy ka tsy hatazagna ny hazavana intsony zareo. 20Ze managna harena nefa tsy managna fahazavan-tsaigna de ôtran'ny biby ze ho levona.
Chapter 50

1Le Andriamanitra tsitò, de Yaveh, de efa niteny sy nagnantso ny tany manomboka amin'ny fiposan'ny masoandro ka hatramin'ny filenteny. 2Avy akao Ziona, le tegna tsara tarehy indrindra ze notarafin'Andriamanitra.3Hoavy ny Andriamanitsika ka tsy mba mangina, hoisy afo mandevona akeo agnatreny, ary tafio-drivotra be no akeo amin'ny magnodidigna an'Azy.4 Magnantso ny lagnitra agnambo sy ny tany izy mba ahafahany mitsara ny vahôkany:5 "Angono miaraka aty aminà ireo mahatoky Anà de ze efa nagnano fagnikena taminà tamin'ny sorogna".6Ny lagnitra hagnambara ny fahamarinany, fa Andriamanitra tegnany miitsy no mpitsara. Sela7Mitainô ry oloko, de hiteny za, za no Andriamanitra, de le Andriamanitrareo.8 Tsy hagnanatra an'nao am'reo sorognao zà; magnolôna anà hatraigny ireo fagnatitrao ho dorôna.9Tsy hialaka aombilahy avy akao andragnonao za; na osilahy avy akao ambalanao.10 Fa anà ny biby daôly aigny agnaty ala sy ny biby fitarizana daôly agn'arivony aigny antanety.11 Haiko daôly ny vorogna magnembagna aigny antanety daôly, ary anà ireo bibidia aigny atsaha.12Raha nôna za de tsy mba hiteny aminao zany, fa anà ny tany sy ze daôly amin'azy.13 Nga hihinana ny nofon'ny aombilahy ma za na hisotro ny ràn'ny osy?14Atoloro an'Andriamanitra ny sorom-pisaorana, ary efao amin'ny Avo indrindra ireo voadinao.15 Antsovo za amin'ny androm-pahorena; de hamonjy an'nao za, ary hagnome voninahitra Anà anao.16Fa amin'ny ratsy fagnahy kosa de ozy Andriamanitra hoe: ino no ataonao amin'ny fagnambarana an'ireo lalàko, fa efa noraisinao ho akeo ambavanao ny fagnikeko,17 Satria mankahala ny fagnanarana anao ary magnary an'ireo teniko?18Refa mahita mpangalatra anao, de miray lô aminazy; mandray anjara am'ze mpijangajanga anao. 19Atolotrao am'ratsy ny vavanao, ary ny lelanao mampiseho fitaka. 20Mipetraka anao ary miteny hanoitra ny rahalanao; anao fôgna no magnendrikendrika ny zanaka lahin-dreninao.21Efa nagnano an'ireo ra daôly ireo anao, nefa niezaka nangina za, sao de mihevitra anao fa ôla mitovy amin'ny tegnanao iany za. Nefa hagnanatra an'nao za ary hampiseho fanjò ny masonao, ny ra daôly vitanao. 22Aseo fiheverana tsara zany, anao ze mpagnadino an'Andriamanitra, raha tsy izany de hopotipoteko anao, ary tsy hoisy hoavy hagnampy an'nao!23Ze manolotra fagnatim-pihavanana no mankalaza anà, hoan'ze mikasa ny lalany ho amin'ny lala-marina de ampisehôako ny famonjen'Andriamanitra.

Chapter 51

1Mamindra fo aminà, Andriamanitra ô, araky ny famindramponao; araky ny hamarôn'ny fiantranao, ka de vonò ny fahadalana nataoko. 2Sasao ataovo madio za mba ho afa-keloka ary diovo za ho afa-pahotana.3Fa fantatro ny heloko, ary agnatreko isan'andro isan'andro ny fahotako.4 Taminao de taminao rerika ny efa nagnotako sy navitako zava-dratsy takeo amasonao; mahitsy anao raha miteny, ary marina anao raha mitsara.5Fa teraka tamin'ny heloka za; ary tamin'ny fahotana no notorotoronindrenoko anà.6 Fa nagniry fahendrena sy fatokisana azo antoka akato ampoko anao, ka akato ampoko ampafantaranao anà fahendrena.7Diovo amin'ny hysopa za, de ho madio; sasao za, de ho fotsy mangatsakatsaka.8 Ampandrigneso haravôna sy fifalena za mba ahafan'ny tolako notapahanao.9 Asitrio am'reo otako ny tavanao ka fafao ny heloko-daôly.10Amorono fo madio za, Andriamanitra ô, ary havaozo ho fagnahy marina ny fagnahy akato agnatiko. 11Aza magnalavitra anà amin'ny fagnatehanao, ary aza alàna amina ny fagnahinao Masina.12Aviregno aminà ny fifalina amin'ny famonjenao, ary tohagno fagnahy mazoto za. 13De hampianatra an'ireo mpandika lalàna ny fombanao za, ka de hiova fa ireo mpagnota.14Mamelà anà noho ny fandatsahan-drà, ry Andriamanitry ny famonjena anà de hiaika amin'ny fifalen'ny fahamarinanao za. 15Tompo ô! sokoafo ny molotro, de hampiseho fideràna anao ny vavako.16 Fa tsy mankasitraka sorogna anao, na de za aza hanolotra an'izany; tsy mahita fahafinaretana amin'ny fagnatitra dorôna anao.17Ireo sorogn'Andriamanitra de fagnahy torotoro; Andriamanitra ô! Anao de tsy hagnano antsirambina ny fo torotoro sy mangorakoraka.18 Magnanaova soa amin'ny fankasitrahanao an'i Ziona; Aremo ndre ny mandan'i Jerosalema.19 De ankasitraka ny sorom-pahamarinana, amin'ny fagnatitra-dorôna daôly anao, ka de hanolotra aombilahy amin'ny alitara ny vahôkanay.

Chapter 52

1Nagnino ma anao no mieboebo amin'ny fagnanaovan-dratsy, ry leila mahery? Tonga isan'andro ny famindram-pon'Andriamanitra. 2Ny lelanao mikasa famotena ôtran'ny hareza maragnitra, miasa amin'ny fitaka.3Te ratsy mandombolombo ny tsara anao ary mandainga salan'ny milaza fahamarinana. Sela4Mankafÿ ny teny daôly mampidi-doza ny ôla anao ry lela mpamitaka.5 Hamotika an'nao salan'izany mandrakizay kô Andriamanitra; hialaka an'nao izy ka hamongotra anao amin'ny lainao ary hagnongotra an'nao tsy ho aketo amin'ny tanin'ny velona. Sela6Hatazagna an'izany fôgna kô ny ôlo-marina de hatatra; himemehy an'azy zareo ka hitare hoe:7 "Fa tsy nagnano an'Andriamanitra ho felofany ity leila ity, fa nitoky tamin'ny hamarôn'ny harenany, ary natanjaka tokô izy tamin'izy namotika ny hafa".8Fa raha za alô, de ôtran'ny kakazon'oliva maitso ao andragnon'Andriamanitra za; hatoky ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay Doria za. 9Hagnome sitraka an'nao isan'andro isan'andro za am'ze vitanao Ary handigny ny agnaranao amin'ny fagnatrehan'ny vahôkanao masina za, satria tsara'zany.

Chapter 53

1Hoan'ny mpiventy hira; atao Al-mahalath. Maskilan'i Davida. Ny adala magnano anakampo hoe:"Tsisy Andriamanitra". Mpagnano ratsy daôly zareo ary nahavita heloka mamôfady; Tsisy magnano ny tsara. 2Miondrika mijery ny zanak'olombelona avy aigny an-dagnitra Andriamanitra mba hizaha raha misy mahatakatakatra an'ze mikaraka an'Azy. Fa mivily daôly izy daôly.3 Niara niova ho mpagnano ratsy zareo. Tsisy magnano no tsara na de raika aza.4Nga ma ze magnano ratsy tsy mba hanagna fahazavan-tsaina de ze mandevona ny oloko ôtra an'azy ireo mihinana mofo ka tsy mba magnantso an'Andriamanitra?5 Tao agnaty tatra gedabe zareo, na de tsisy antony tokony hampatatra aza; fa Andriamanitra hanapatapaka ny tôlagny ze hitoby hanotra an'nao; ny ôla salan'izany de halam-baraka satria efa nolavin'Andriamanitra.6Enga ane ny famonjena an'Israely ho Tonga aigny Ziona! rafa nindesin'Andriamanitra miverigna avy aigny amin'ny fahababôna ny ôlony, de ho ravoravo Jakoba ary ho faly i Israely!
Chapter 54

1Vonjeo amin'ny agnaranao za, Andriamanitra ô, ary tsarao amin'ny herinao. 2Henoy ny fivavako, Andriamanitra ô; Anongilagno sofigna ireo tenin'ny vavako. 3Fa ny ôla hafa firenena no mitsangana hanoitra anà, ary leila tsisy indra-fo no efa magnenjika ny aignako. Tsy mba nametraka an'Andriamanitra teo agnatrehany Zareo. Sela4Fa Andriamanitra no mpamonjiko; ny Tompo rerika no miaro anà.5 Hamaly ny ratsy nataon'ireo fahavaloko Izy; amin'ny fiarôvanao de aringiano izy iregny!6Amin'ny fagnati-tsitrapo no hagnanaovako sorogna ho an'nao; fisaorana no atolotro ny agnaranao, Yaveh, fa tsara izany.7 Satria namonjy anà tamin'ny loza daôly izy; efa nahita fandresena an'ireo fahavaloko ny masoko.

Chapter 55

1Mitainô ny fivavàka Andriamanitra ô; ary aza magnafin-tegna amin'ny fitaraignako. 2Henoy za ka valeo; tsy manam-pijanonana agnatin'ny fahoreko Za. 3Noho ny feon'ireo fahavaloko, sy ny fampahoren'ny ratsy fagnahy; Fa mampitondra anà fahorena zareo ary magnenjika anà amin-kasosena.4Mangovitra akato agnatiko ny foko, ary latsaka taminà ny horohorom-pahafatesana. 5Efa tonga taminà ny fatahôrana sy ny fangovitana, ary nandifotra anà ny horohoro.6De ozy za hoe:"Raha mba nanagn'elatra salan'ny voromelala angamba za! De nagnembagna za ka aigny amin'ny tany tsisy mpagnelingelina'zay vo nijanona.7 Fa de nirenireny talavitra tokô za; ary nijanona taigny an-tany fôgna. Sela8Namonjy fialofana nalaky tamin'ny tafio-drivotra sy ranon'orambaratra za".9 Poteo izy iregny, Tompo ô, ampifangarôvo ny fiteniny! Fa efa nahita herisetra sy fifandirana tao antanàna Za.10Mandende andro aman'alina ambon'ny mandan'izany iregny.11 Heloka sy ankaso-parana ary faharatsena no ampovôn'izany; ary tsy miala amin'ny lalambeny ny fampahorena sy fitaka.12Fa tsy fahavalo no nitare mafy anà, fa raha zany de mba afaka niaritra ihany za; ary tsy le nankahala anà no nitsangana hanoitra anà, fa raha tsy izany de mba afaka nanitrika ny tegnako taminazy fôgna kô za.13 Fa anao miitsy, le leila mitovy saranga aminà. de namako sy tena sakaizako.14 Nanagna firaisan-kigna tegna mamy ntsika; de niara-nande tao andragnon'Andriamanitra niaraka tam'reo ôlo-daôly ntsika.15Ôka ho tonga amin-jareo amin'ny tsy ampoizina ny fahafatesana; ôka hidigna velona aigny amin'ny fiaignan-tsy hita zareo, satria faharatsena no ipetrahany, na aiza na aiza misy an'azy ireo.16Fa za kosa, de hagnantso an'Andriamanitra, ary Yaveh hagnavotra anà. 17Mitaraigna sy manjoretra za amin'ny harivariva sy ny ampôlakeka ary ny misandratr'andro; de haregny ny feoko Izy. 18Hamonjy ny aignako sô-mantsara izy amin'ny ze miady manoitra anà fa maro ireo ze efa niady taminà.19Andriamanitra, le manjaka mandrakizay, âne hitaino ka hampietry an'azy ireo. Sela tsy miova miitsy zareo; ary tsy matatra an'Andriamanitra.20Nanangan-tagnana hamely an'ze nihavana tamin'azy ny sakaizako; tsy nagnaja ny fagnikena ze nanagnany izy.21 Nalama ôtran'ny dibera ny vavany, kanefa nankahala ny fony; nalefaka mihôtra ny menaka ny teniny, nefa hay sabatra natsatotsatoka ireigny.22Apitrao am'Yaveh ireo enta-mavesatrao, ary de izy no hanôgna an'nao, ary tsy hamela ny ôlo-marina hangozohozo miitsy izy. 23Fa anao Andriamanitra ô, no an-datsaka ny ratsy fagnahy aigny an-davaky ny fahapotena; ireo lian-drà sy ireo ôla mpamitaka de tsy hiaigna na de antsasaky ny an'ny hafa aza, fa za kosa de hatoky An'nao.

Chapter 56

1Mamindrà fo amina, Andriamanitra ô, fa manafika anà'reo leila! Ireo miady aminà de manery mafy ny fanafihany andro lava daôly. 2Magnitsaka anàisan'andro isan'andro ireo fahavaloko; fa maro ireo miady aminà amin'ny fieboebona.3Refa matatra za, de hapetrako aminao ny tokiko. 4Amin'Andriamanitra no iderako ny teniny_amin'Andriamanitra no efa nametrako ny fahatokiko; tsy hatatra za; ino no azon'ny ze nofo fôgna atao aminà?5Mandika vilagna ny teniko isan'andro isan'andro zareo; manoitra anà amin'ny fisaignan-dratsy daôly zareo. 6Mikambana zareo, ka misitrika, sy mitsongo de anà, satria mikendry ny aignako.7Aza avela milefa amin'ny fagnanaovan-dratsy izy iregny. Ampidigno amin'ny hasosenao ireo ôla maro'reo Andriamanitra ô. 8Magnisa ny firenireniko Anao ary magnano ny ranomasoko agnaty tavoahanginao; nga tsy vôsoratra amin'ny bokinao ma iregny?9Ary de ho foaty ireo fahavaloko amin'ny andro ze hagnantsovako An'nao; fantatro izany, Fa hiady ho anà Andriamanitra. 10Amin'Andriamanitra_no iderako ny teniny, am'Yaveh_no iderako ny teniny, 11amin'Andriamanitra no itokiko, de tsy hatatra za. Ino no azon'ôla atao aminà?12Akato aminà ny fahavognonana hagnatanterany an'ireo voadiko aminào, Andriamanitra ô; hanolotra fagnati-pisaorana ho An'nao za.13 Fa efa namonjy ny fiaignako tamin'ny fahafatesana Anao; nitana ny tongotro tamin'ny fahalavôna Anao, mba ahaizako mande agnatrehan'Andriamanitra aigny amin'ny fahazavan'ny velona.

Chapter 57

1Mamindra fo aminà, Andriamanitra ô, mamindrà fo aminà, Fa hialoka Aminao za ambara-patapetr'izao fahorena izao. Mipetraka akeo ambany elatrao ho fiarovana za mandrampijanonan'izao fandravana izao.2De hagnantso mafy an'Andriamanitra Avo indrindra za ho amin'Andriamanitra, ze magnano ny ra daôly ho anà.3 Hagnandefa fagnampena avy aigny an-dagnitra izy ary hamonjy anà; de sosy tam'ze mamely anà izy. Sela Andriamanitra hagnandefa ny hatsaram-pagnahy sy ny fahatokeny aminà.4Aketo am'ireo liona ny aignako; sy am'reo ze vognona handrapaka anà za. Ekeo am'reo ôla ze managna nify salan'ny sabô sy zana-tsipika, ary ze managna otran'ny sabatra maragnitra za. 5Misandràta, Andriamanitra ô; ambonin'ny lagnitra; Ambonin'ny tany daôly ny voninahitrao.6Namelatra fandrika tamin'ny tongotro zareo; ory za. Nangady lavaka takeo agnolôna zareo. Ny tegnan-jareo ihany no latsaka tampovôn'izany! Sela7Tafatombona ny foko, Andriamanitra ô, tafatombona ny foko; hihira za, eny, hihira fiderana za.8 Mifohaza, ry foko nomem-boninahitra; mifohaza, ry vale sy lokanga; hofohazoko ny mangiran-dratsy.9Hanolotra fisaorana ho Anao za, Tompo ô, akeo amin'ôla maro; hihira fiderana ho Anao za akeo am'reo firenena.10 Fa leibe ny fitiavanao tsy mety levona, manaka-dagnitra; ary ny fatokinao manakatra ny rôndro. 11Misandràta, Andriamanitra ô, ambonin'ny lagnitra; ny fahasoavanao ane ho asandratra magnerana ny tany daôly.

Chapter 58

1Milaza ny fahamarinana ma anareo ry mpanapaka? Mitsara amin'ny fahamarinana ma anareo, ry ôla? 2Tsia, magnano ny faratsena akao amponareo anareo; mietraketraka magnerana ny tany amin'ny tagnanareo anareo.3Very ny ratsy fagnahy na de mbôla agnaty kibo aza; very zareo hatraam'ny voteraka, amin'ny filazana lainga.4 Ôtran'ny poizin'ny bibilava ny poiziny; salan'ny vipera maregnina ze manakana ny sofigny tsy haregny zareo.5 Ze tsy mitandrena ny feon'ny mpilalao aody, na de mahay ôtra ny ino aza zareo.6Vakio aigny am-bavany ny nifin-jareo, Andriamanitra ô; poteho ny vagin'ireo zanaka liona, ry Yaveh.7 Avilao zareo hiempo ôtran'ny rano raraka; Rafa mandefa ny zana-tsipikany zareo, de ôtran'ny tsisy tendrony.8 Ôtran'ny sifotra mitsonika zareo ary maty, ôtran'ny zaza teraka tsy tonga volan'ny veivavy raika ze tsy mahita ny tara masoandro miitsy.9Mialôn'ny hatsapan'ny vilagninao ny hafanana mandoron'ny tsilo, de ho entiny amin'ny tafio-drivotra ireo, na ny tsilo maintso na ny tsilo mirehitra.10 Ny ôlo-marina de hifaly raha mahita ny famalen'Andriamanitra; hanasa ny tongony amin'ny ràn'ny ratsy fagnahy izy. 11Mba hilazan'ny ôla hoe:"marina tokô, fa misy valisoa hoan'ny olo-marina: marina tokô fa misy Andriamanitra mitsara ny tany".

Chapter 59

1Vonjeo am'ireo fahavalo za, Andriamanitra ô, apetrao aigny amin'ny alavitra agnambo lavitra ireo mitsangana hanoitra anà za. 2Erôvo am'reo mpagnano heloka za, ary avoto am'reo ôla lian-drà.3Fa mikotrika hikindrena hangala ny aignako zareo. Ireo mpagnano ratsy matanjaka de mivondrogna hanoitra anà, kanefa tsy noho ny heloka na ny fahotako Yaveh.4 Miomagna ny hamono anà zareo na de tsy manam-padisôna aza za; mifohaza ka vonjeo za ary zahavo.5Anao, Yaveh Andriamanitra tompon'ny maro, le Andriamanitry ny Israely, mitsangàna ka faizo ny firenena daôly; aza mamindra fo am'ze mpagnano ratsy. Sela6Miveregna zareo ny harivariva, mivovo ôtrin'ny ambô zareo ary mandemande eraky ny tanàna.7 Mandrezatra amin'ny vavany zareo; sabatra ny am'ny molony, fa ozy zareo hoe:"iza ny maregny an'nay"?8Fa Anao, Yaveh, de mimemehy an'azy ireo; ataonao fimehezana ny firenena daôly. 9Andriamanitra, heriko ô, hitaino Anao za; Anao ny tilikamboko ambo.10Hihaogna aminà miaraka amin'ny fagnikeny azo antoka ny Andriamanitra; hamela anà hatazagna ny fagniriko ny am'reo fahavaloko Andriamanitra. 11Aza vonòna zareo fa sao de tsy tadidiny oloko. Aparitao amin'ny fahefanao zareo ary atôvo lavo izy ry Tompo ampinganay.12Noho ny fahotan'ny vavan-jareo sy ny tenin'ny molony de ôka ho vôsambotra amin'ny fieboebony zareo, fa amin'ny ozogna sy lainga no anehôn-jareo hevitra. 13Poteo amin'ny fahasosenao zareo poteo zareo mba hofongotra tsy hoisy intsony, ôka ho fantatry zareo fa Andriamanitra no manjaka am'Jakoba sy hatraigny amin'ny faran'ny tany. Sela14Miverigna kô zareo ny hariva, mivovo salan'ny ambô mandende eran'ny tanàna. 15Mirenireny mikaraka ahanina zareo ary mitrerogna ôtran'ny ambô mbôla tsy afa-po iregny.16Fa hihira momba ny herinao za, ary hihira momba ny fitiavanao tsy miova isaky ny ampolakeka za! Fa fiarôvana mafy ho anà Anao ary felofana amin'ny androm-pahoreko. 17Ho Anao ze heriko, no ihirako fiderana; fa Andriamanitry no ferovana mafy ho anà, de le Andriamanitry ny fagnikena azo antoka.

Chapter 60

1Andriamanitra ô, efa namongotra anay Anao; efa nandravarava ny ferovanay Anao; sosy Anao; ampodeo ndre zahay.2Efa nampihovitrovitra ny tany Anao; efa nitriarinao zany; sitragno ny triatrany; Fa mihozongozogna zany. 3Efa nataonao nahita zava-tsarotra ireo vahôkanao; efa nataonao nisotro divay mampievembegna zahay.4Ho an'ireo magnome voninahitra Anao, no nanandratanao faneva mba hiharihary am'reo ze mitondra tsipìka. Sela5 Mbô hahatonga an'ireo tenao ho vôvonjy, vonjeo amin'ny tagnanao ankavanana zahay ka valeo za.6Niteny tamim-pahamasinana Andriamanitra hoe:"hiravoravo za; hizara an'Sekema za ary hamaritra ny lôdahan'i Sokoa.7 Anà Gileada, ary Anà Manase; ferovan-dôko fôgna kô i Efraima; tehim-piandrianako i Joda.8Fitôran-drano fidiovako i Moaba; magnerana an'i Edoma no hanipazako ny kapako; ihaika am-pandresena za noho i Filisia".9 Iza no itondra anà ao am'le mahery? Iza no hitarika anà hankaigny Edoma?10Fa Anao kosa, Andriamanitra ô, nga tsy efa nagnary anay Anao? tsy mande miady miaraka amin'ny tafikay Anao. 11Ampeo zahay hanoitra ny fahavalonay, fa zava-pôgna ny fagnampen'olombelona.12 Handresy zahay miaraka amin'ny fagnam-pen'Andriamanitra; hagnitsakitsaka an'ireo fahavalonay Izy.

Chapter 61

1Hoan'ny mpiventy hira; amperahana amin'ny vale. Salamo nataon'i Davida. Taino ny fitaraignako, Andriamanitra ô; atreho ny fivavako. 2Hatraigny amin'ny faran'ny tany no nagnatsovako Anao rafa henika ny foko; tario aigny amin'ny vatolampy ze agnambo noho ny tegnako za. 3Fa Anao no efa felofako, tilikambo mafy amin'ny fahavalo.4Ôka za hipetraka mandrakizay akao amin'ny tabernakelinao! Ôka za hialoka ambany alok'ireo elatrao. Sela5 Satria Anao, Andriamanitra ô, no efa naregny an'ireo voadiko, efa nagnome anà ny lovan'ireo ze nagnome voninahitra ny Agnaranao.6Hagnalava ny andro iagnan'ny mpanjaka Anao; ho salan'ny taranaka maro mifandimby ny taonany.7 Hipetraka akeo agnatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy.8Hihira fiderana ho an'ny Agnaranao mandrakizay za mbô ahafahako magnatanteraka an'ireo voadiko isan'andro.

Chapter 62

1Mandigny an'Andriamanitra rerika am-panginana za; ary avy amin'azy ny famonjena anà. 2Izy rerika ihany no vatolampiko sy famonjeko; Izy no ferôvako ambo; ka tsy hangozohozo tokô za.3Mandra-povena no hamelezanareo daôly ny ôla mba ahafanareo mampangozohozo an'azy ôtran'ny manda mirona na fefy mihozongozogna? 4Niresaka tamin'azy zareo mba hampietry an'azy amin'ny fitôrany be voninahitra; te milaza lainga zareo; mitso-drano an'azy amin'ny vavany zareo, nefa magnozogna an'azy akao ampony. Sela5Mandigny amin'ny fahanginana an'Andriamanitra rerika fogna za; satria mipetraka aminazy ny fagnantenako.6 Izy rerika ny vatolampiko sy famonjena anà; Izy rerika no ferovana mafy anà; de tsy hangozohozo za.7Akao amin'Andriamanitra ny famonjena anà sy ny voninahitro; ny vatolampin'ny heriko sy felofako de akao amin'Andriamanitra. 8Matokia an'Azy amin'ny fotôna daôly, anareo vahôka; loaro akeo agnolônany ny fonareo; de tonga felofana ho antsika Andriamanitra. Sela9Tsisy dikany tokô ireo ôla ambany, ary tsinotsino ireo ôla ambony; ho maivagna akeo am'reo mizana zareo; raha lanjaina miaraka, de maivagna ôtran'ny tsisy zareo.10 Aza matoky ny fampahorena no ny fandrobana; ary aza magnantegna harena tsisy dikany, satria tsy hitondra voka-tsoa ireo; aza magnankina ny fonareo amin-jareo.11Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, eny indrôy aza no nandrignesako an'izao hoe: an Andriamanitra ny fahefana.12 Anao ihany kô, ry Tompo, satria mamaly ny ôla tsiraikaraika am'ze nataony Anao.

Chapter 63

1Andriamanitra ô, Anao no Andriamanitro! Mikaraka Anao mafy be miitsy za, mangetaheta Anao ny fagnako, ary magniry Anao ny nofoko, aketo amin'ny tany maigna sy karakaigna tsisy rano. 2Ka efa nizaha Anao takao amin'ny ôla masina za mba hatagna ny fahefana sy ny voninahitrao.3Tsara mihôtra noho ny fiaignana ny famindram-ponao de hidera Anao ny molotro. 4Ka de hisaotra Anao za raha mbôla velona kô, hanandratra ny tagnako amin'ny Agnaranao za.5De ôtran'ny nihinana ahanina nisy tsoka sy jabora za, amin'ny molotra ravoravo no hideran'ny vavako An'nao. 6Rafa mieritreritra An'nao za akeo ampandrena ka misaintsaigna An'nao rafa amin'ny alina.7Fa Anao no famonjena anà, ary akao amban'ny elatrao no iravoravôko.8 Mifikitra Aminao za; manôgna anà ny tagnanao ankavanana.9Fa ze mitady hisopatra ny fiaignako de ho potraka aigny amin'ny tany farany ampidigna indrindra. 10Hagnome am'reo ze mampiasa ny sabatra aigny an-tagnany zareo, ary lasa ahanin'ireo ambôhaolo zareo.11Fa ny mpanjaka kosa hifaly amin'Andriamanitra ny ôla daôly izay mifànta amin'ny alalany de hieboebo Amin'azy, fa ny vavan'ireo ze milaza lainga de hikombogna.

Chapter 64

1Tainô ny feoko, Andriamanitra ô, henoy ny fitaraignako; Erôvo amin'ny tahatra an'ireo fahavaloko ny aignako. 2Asitrio amin'ny teti-dratsy misitrik'reo mpagnano ratsy za, de amin'ny tabataban'reo mpagnano heloka.3Efa nandragnitra ny lelany ôtran'ny sabatra zareo; efa nagnenjagna ny zanatsipikany zareo, de ireo teny marary, 4mbô ahazahôn-jareo mitifitra ny ôla tsy manan-tsiny avy aigny amin'ny tôrana tsy ampoizina ze misitrika no itifiran'jareo an'azy ary tsy matatra na ino na ino.5De nankehera ny tegnany tamin'ny teti-dratsy zareo; niara-nifandinika mangigna mba hametaka an'ireo fandrika zareo; ka ozy zareo hoe;"Iza no ahita an'tsika?".6 De namorona teti-dratsy ndre zareo;"Efa vitanay", ozy zareo; "le tetika matipaika". Ny agnaty eritreritra sy ny fon'ôla de laligna tsy takatry ny saigna.7Efa hikendry an'azy ireo Andriamanitra, ka naratran'ny zana-tsipìkany tampoka zareo. 8Ho tafitohina zareo, satria ny lelany fôgna no nanoitra an'azy; ze daôly mahita an'azy ireo de hagnifikifika ny lôny;9 Ny ôla daôly de hatatra ary hagnambara ny asa leiben'Andriamanitra; Hieritreritra amin'ny fahendrena am'ze efa nataony zareo.10De ho faly ny am'Yaveh ny marina ary hialoka akao Amin'azy; hifalifaly aminazy ny maitsy ampo daôly.

Chapter 65Hoan'ny mpiventy hira, Salamo hiran'i Davida.

1Satria Anao, Andriamanitra aigny Ziona no andrasan'ny fideranay; de hamita ny voadinay Aminao zahay.2 Anao ze mitaino vavaka, akeo Aminao ny ho tonga ny nofo daôly. 3Handresy anay'reo heloka, raha ny am'reo fandikan-dalànanay, de hamela an'iregny Anao.4Sambatra ny ôla ze fidinao hagnakeky Anao mba ahafahany mipetraka akao ankianjanao. De afapo ny amin'ny fahatsaran'ny tragnonao zahay, de ny tempolinao masina.5Amin'ny fahamarinana no hamalinao an'nay amin'ny fagnanaovana zava-mahagaga, Andriamanitry ny famonjena anay, Anao zay tokin'ny fiafaran'ny tany daôly sy ny an'ireo ze aigny amin'ny ranomasina alavitra.6Fa Anao no nagnamafy orina an'ireo tendrombotra de Anao ze magnano fehi-kibo amin'ny tanjaka. 7Anao ny mampangina ny firaondraognan'ireo ranomasina, sy ny firaondraognan'ny onjany, ary ny tabataban'ireo vahôka.8Ireo ze mipetraka aigny amin'ny faran'ny tany de matatra ny porofon'ireo asanao. Mampifaly ny avy aigny ambony sy ny avy aigny andrefana Anao.9 Tonga nagnavotra ny tany Anao; tondranao, sy ampitombonao tsara izany; feno rano ny ognin'Andriamanitra, mamatsy vô hoan'ny ôlombelona Anao rafa avy nikarakara ny tany.10Mahaboboka ny nofon-tany vôasa Anao, mandravona an'reo morogny ny tany vôasa Anao, magnalefaka an'izany amin'ny ranonorana Anao; mitàha an'reo tsimoka am'zany Anao. 11Satrônao ny hatsaranao ny taona; ireo sorita afaran'ny kalesanao de mitete fahatavizana amin'ny tany. 12Ny ahira aigny agnefitra de mitete ranon'ando, ary ireo tanety ambo vôtafy fifalina.13Rakotra ondry aman'osy ny tany fihinanam-bilogna, vôrakotra vô ihany kô ireo lôsaha; mihaika mihira fifalina iregny.
Chapter 66

1Magnanôva hikam-pifalena ho an'Andriamanitra ry tany daôly; 2Mihirà mafy ny voninahitry ny agnarany; ameo voninahitra ny fiderana an'Azy.3Lazao amin'Andriamanitra hoe:"tegna mampatahatra ny asanao! Nony amin'ny fahalebiazan'ny herinao no hagniken'ireo fahavalonao an'nao.4 Ny tany daôly de hanompo an'nao, ary hihìra ho Anao; hihìra hoan'ny agnaranao zareo". Sela5Tongava mizaha an'ireo asan'Andriamanitra; mampatatra izy nohon'ireo asany leibe amin'ny zanak'olombelona. 6Namadika ny ranomasina ho tany maigna izy; de nande an-tongotra namakivaky ny ogny zareo; taigny zahay no niravoravo tamin'Azy.7 Tômpom-panapana amin'ny heriny mandrakizay izy; mandinika an'ireo firenena ny masony; ôka ny mpikomy tsy hanandra-tegna. Sela8Manolona fisaorana ho an'Andriamanitra, anareo ry ôla, ôka ho regny ny feon'ny fiderana an'azy.9 Izy no miaro antsika velona, ary tsy mamela ny tongotsika hisodifaka izy.10Fa Anao, Andriamanitra ô, efa nitsapa an'nay salan'ny fitsapàna volafotsy Anao. 11Nitondra an'nay tagnaty harato Anao; nametraka enta-mavezatra tamin'ny andilagnay Anao. 12Efa nataonao nikitsahan'ny ôla ny lônay; namakivaky afo sy rano zahay, nefa namôka an'nay taigny amin'ny tôrana midadasika Anao.13Hiditra akao andragnonao hagnano fagnatitra dorôna za; hifaiko aminao'reo voadiko. 14Zay nampagnantegnain'ny molotro sy nolazain'ny vavako tam'za mbola taganaty fahorena. 15Hagnome anao fagnatitra dorôna biby mifahy miaraka amin'ny hagnitra ankasitrahana avy amin'ny ondrilahy za; ary hanolotra aombilahy sy osilahy za. Sela16Tongàva hitaino, anareo daôly ze matahatra an'Andriamanitra, fa hagnambara an'ze efa nataony tamin'ny fagnako za. 17Nitaraigna taminazy tamin'ny vavako za, ary noderaina tamin'ny lelako izy.18 Raha nankasitraka ny fahotana takato ampoko za, de tsy mba nitaino anà ny Tompo.19Fa maregny marina Andriamanitra; efa nitaino ny feon'ny fivavako izy.20 Isaorana Andriamanitra, ze tsy nandà ny fivavako na ny famindram-pony taminà.

Chapter 67

1Hoan'ny mpiventy hira; ampiarahana amin'ny vale. Salamo, tonon-kira. Hamindra fo amintsika ane Andriamanitra ka hitahy antsika ary hampamirapiratra ny tavany amin-tsika. Sela2 mba ho tegna tsara aketo ambonin'ny tany ny lalanao, sy ny famonjenao ny firenena daôly.3Ôka ny ôla hidera an'nao, Andriamanitra ô; ôka ny ôla daôly hidera Anao. 4Ndreo ireo firenena ho faly sy hihira fifalena, fa hitsara ny ôla daôly amin'ny fahitsina Anao ary handidy an'ireo firenena aketo ambonin'ny tany. Sela5Ôka ny ôla hidera Anao, Andriamanitra ô; ôka ny ôla daôly hidera Anao. 6Ny tany efa namô ny vôny Ary Andriamanitra, Andriamanitray no efa nitaha anay.7Andriamanitra efa nitaha anay, ary ny vazan-tany rehatra manome voninahitra azy.
Chapter 68

1Ôka hitsangana Andriamanitra, ka ôka'reo fahavalony iparitaka, ôka kô ireo mankahala an'azy hilefa tsy ho akeo agnatrehany. 2Ôtran'ny setroka miely, no hagnelezana an'azy ireo; salan'ny savoka miempo tamin'ny afo, no ôka handringianana ny ratsy fagnahy amin'ny fagnatrehan'Andriamanitra. 3Fa ôka kosa ny olo-marina ho faly; ôka zareo hiravoravo akeo agnolonan'Andriamanitra; izy iregny âne no hiravoravo ka de ho faly.4Mihirà ho an'Andriamanitra! Mihirà fiderana hoan'ny agnarany! derao le mande mamakivaky ny tany lemaky ny lôsahan'drekan'ny Jordana! Yaveh ny agnarany! mifale akeo agnatrehany! 5Rain'ny kamboty, mpitsara hoan'ny magnano tegna, de le Andriamanitra aigny amin'ny tôrana masina ze onenany.6 Andriamanitra mametraka ny rerika akao amin'ny fianakavena, ndesiny mivôka amin-kira ny gadra; fa ny mpanoitra kosa de mipetraka akaigny amin'ny tany karakaigna.7Andriamanitra ô, raha nivôka takeo agnatrehan'ny vahôkanao Anao, rafa nande namakivaky ny tany efitra Anao, Sela8 De nivoitra ny tany; ny lagnitra ihany kô nitete orana tamin'ny fagnatrehan'Andriamanitra, rafa Tonga taigny sinay izy, tamin'ny fagnatrehan'Andriamanitra, de le Andriamanitr'Israely.9Anao, Andriamanitra ô, no nandefa orambe; Anao no nagnome hery ny lovanao raha reraka izany.10 Mipetraka akao ny vahôkanao; Anao, Andriamanitra, no nagnome ny mahantra tamin'ny fahatsaranao.11Ny Tompo no nagnome ny baiko; ary ireo ze nagnambara an'izany de tafika leibe. 12Milefa ireo mpanjakan'ny tafika, milefa zareo, Ary mizara ny entana vôroba ireo veivavy mandigny akao andragno; de voromelala voravaka volafotsy sy elatra volamena mavo. 13Rafa nipetraka takao am'reo valana ondry ny sasagny taminareo vahôka, de nagnino ndre mbôla nagnano an'izany anareo?14Nampiely an'ireo mpanjaka taigny ny tsitoha, zany de tamin'ny nisin'ny oram-panala taigny amin'ny tendrobotra Zalmona. 15Tendrombotra mahery ny tanetin'i Basana; tendrombotra marangitra ny tanetin'i Basana. 16Nagnino Anao no mijery mitsiriritra; Anao ry tanety ambo marangitra, akao antendrombotrana ze nirin'Andriamanitra ho tôram-ponenany? Hipetraka mandrakizay akao tokô Yaveh.17Roalina ireo saretin'Andriamanitra, agnalignalina; akeo aminjareo amin'ny tôrana masina, salan'ny taigny Sinay ny Tompo. 18Efa niakatra tagnambo Anao. Nindesinao ireo babo; nandray fagnomezana avytam'reo Leila Anao, eny fa na de avytam'reo izay niady taminao aza, mba ahafahanao hipetraka taigny, Yaveh Andriamanitra.19Isaorana ane ny Tompo, zay nitondra ny entatsika isan'andro, le Andriamanitra ze famonjena antsika. Sela20 Ny Andriamanintsika de Andriamanitra magnavotra; ny Tompo Yaveh no mahay mamonjy antsika amin'ny fahafatesana.21 Fa Andriamanitra de mamely ny lôn'ireo fahavalony, takeo amin'ny volon-dôn'ze mande amin'ny fandikan-dalàna manoitra an'azy.22Ozy ny Tompo hoe:"hondesiko miverigna avy aigny Basana ireo fahavaloko; ho entiko miverigna avy aigny amin'ny halalignin'ny ranomasina zareo23 mba ahafahanao mamotipotika ny fahavalonao, mandrombaka ny tongotrao agnaty rà, sy mba hahafan'ny lelan'ireo ambônao hananjara am'ireo fahavalonao".24Efa nahita ny filaharanao izy iregny. Andriamanitra ô, de ny filahan'Andriamanitro, mpanjakako, akao amin'ny fitôrana masina. 25Ireo mpihira no nande vôlôny, ary nagnaraka avy tafara ireo mpitendry vale, ary tam-povôn'ireo ngaombavy tsy nanambady no mpively amponga tapaka.26Misaora an'Andriamanitra akao am-piangonana, miderà an'i Yaveh, anareo ry taranaka marin'Israely.27 Raha misy ny vôlôny de Benjamina, de foko kely indrindra, magnaraka an'ireo mpitarik'i Joda sy ny magnaraka an'azy, ireo mpitarik'i Zebolona sy ny mpitarik'i Naftaly.28Ny Andriamanitrao, ry Isiraely, de efa nandidy ny tanjakao; lazao anay ny fahefanao Andriamanitra ô, ôtran'ny nampisehovanao an'izany tamin'ny fotôna efa lasana.29 Lazao anay antempoly ao Jerosalema, ze agnateran'ireo mpanjaka fagnomezana Anao, ny fahefanao.30Mikòka hiady hanoitra an'ireo bibidia aigny agnaty vôlotara, hanoitra an'ireo ôla sy ny hamarôn'ny aombilahy ary ny zanak'aomby. Atôvo megnatra zareo ary ampitondrao fagnomezana ho Anao; aparitao ireo ôla ze te manangan'ady. 31Andreana no ho tonga avy aigny Egypte; Etiopia meka hagninjitra ny tagnany ho aigny amin'Andriamanitra.32Mihirà ho an'Andriamanitra anareo ry fanjakan'ny tany; Sela Mihirà fiderana ho an'Jehovah.33 Ho an'Azy ze miakatra aigny amin'ny lagnitry ny lagnitra, ze nisy hatramin'ny fotôna faela be; de Izy ihany no manandram-peo amin-kery.34Ikeso ho an'Andriamanitra ny hery; an'Israely ny fiandrianany, ary aigny andagnitra ny hery. 35Andriamanitra ô, mampatahatra Anao aigny amin'ny fitôrana masina; de le Andriamanitr'Israely-magnome hery sy fahefana an'ny vahôkany Izy. Isaorana ane Andriamanitra

Chapter 69

1Vonjeo za, Andriamanitra ô; fa nataon'ny rano tandindognon-doza ny fiaignako. 2Milentika agnaty fotaka mangoraka za, ze tsisy tôrana itsanganana; tonga tagnaty rano laligna za, ze ikorignan'ny ranobe.3Ketraka tamin'ny fitaraignako za; maigna ny tendako, nanjary tsy manam-paretana amin'ny fandignesana an'Andriamanitro ny masoko. 4Betsaka noho ny volo antam-pondôko ireo mankahala anà tsy amin'antony; ireo mamongotra anà, ze magnano anà ho fahavalo amin'ny tsy rariny, de mahery; izay tsy nangalariko, de tsy maintsy averiko5Andriamanitra ô, hainao ny hadalako, ary tsisy misitrika aminao ny heloko. 6Aza avela ho megnatra noho ny aminà ze mandigny Anao, ry Tompo Jehovah Tompon'ny maro; aza avela ho afabaraka noho ny aminà ze mikaraka Anao, ry Andriamanitr'Israely.7Noho ny aminao no nitondrako latsa; hegnatra no manarogna ny tavako.8 Niova ho ôla hafa za am'reo rahalako, nanjary vahiny tam'reo zanaky ny reniko.9 Fa ny fitiavako ny tragnonao no navômafy anà; ary ireo latsan'ze miteny mafy anà no efa nataonao navô anà10Rafa nitomangny za ka tsy nihinan-kanina, de naniratsira anà zareo. 11Rafa nataoko lamba fisaonana ny fitafiko, de nanjary ambenti-dresak'zareo za.12 Mikoragna ny momba anà ireo ze mipetraka akeo ambavahadin'ny tanàna; tonga ambetin-kiran'ireo mamolava za.13Fa raha za alô, de aminao ny ivavako, ry Jehovah, amin'ny fotôna ze hagnikenao; valeo amin'ny fahendrena sy amin'ny famonjenao tsy mivadika za. 14Sintono avy amin'ny fotaka, ary aza ho difotra za; ôka za ho afaka alavitra an'ireo ze mankahala anà ka ho vôvonjy avy amin'ny rano laligna. 15Aza avela handifotra anà ny tondra-drano, na ny laligna hiteligna anà. Aza avela hagnidy ny vavany aminà ny lavaka.16Valeo za, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; satria maro ireo antranao taminà, mitode aminà. 17Aza manitrika ny tavanao amin'ny mpanomponao, fa agnaty fahorena za; valeo malady za18Midìgna aty aminà ka de vonjeo za, noho ireo fahavaloko; avoto za.19 Fantatrao ny fandatsàna anà sy ny hegnatro, ary ny fahafambarakako; magnolôna Anao daôly ireo mpandrafy daôly.20Nandratra ny foko ny latsa; feno alahelo za; mikaraka ôla hiantra za, fa tsy mba nisy nampahery, ary tsisy nitazagna. 21Namen-jareo poizina za mba hohaniko; raha nangetaheta za de vinaigira no namen-jareo nosotroko.22Ôka mbô ho tonga fandrika ny latabany ze akeo agnolônany; rafa mieritreritra zareo fa mipetraka tsisy mampagnahy, de ôka ho tonga fandrika zany.23 Ôka ny mason-jareo ho amaizignina ka tsy ahita; ary atovo mihozongozogna isan'andro isan'andro ny lamosin-jareo.24Araraho amin-jareo ny fahasosenao, ary ôka hisafôka ny hasosenao ka ahazo an'azy ireo. 25Ôka ho fôgna ny tôran-jareo; aza avela hisy hipetraka akao amin'ny tragnony.26Fa zareo de nagnenjika mafy an'le nalavonao. Namerimberigna ny amin'ny fanaintaignan'ireo ze vôferinao zareo.27 Miampangà an'azy ireo ho navita heloka miampy heloka; de aza avela ahazo ny fandresenao marina zareo.28Ôka ho vôfafa akao amin'ny bokin'ny fiaignana zareo, ary tsy ho vôsoratra miaraka amin'ny olo-marina. 29Kanefa mahantra sy malahelo za; ka ôka ny famonjenao Andriamanitrao hametraka anà agnambo.30Hidera ny agnaran'Andriamanitra amin'ny hira za ary hanandratra an'Azy amin'ny fisaorana. 31Ankasitrahan'i Jehovah tsara mandombolombo ny aomby sy aombilahy manan-tandroka sy kitro zany32Efa natazagna an'izany ny malemy fagnahy ka de faly; anao ze mikaraka an'Andriamanitra, ôka ho velona.33 Fa Jehovah maregny ny ory ary tsy magnano tsisy varany ny gadrany.34Ôka ny lagnitra sy ny tany hidera an'Azy, ny ranomasina sy ze ra daôly mihetsiketsika akao agnatiny.35 Fa Andriamanitra hagnavotra an'i Ziona ary hanangana ndre an'ireo tanànan'i Joda; hipetraka akao ny ôla ka hagnano an'zany ho fanagnana.36 Ireo taranaky ny mpanompony handova an'izany; ary ze te ny Agnarany no honigna akao.

Chapter 70

1Hoan'ny mpiventy hira. Salamo nataon'Davida; mba hitondra makaigny amin'ny fahatserovana.2 Vonjeo za, Andriamanitra ô! Jehovah ô, tongava malady magnavotra anà. Ôka'reo zay mifofo ny aignako ho menatra sy afa-baraka; ôka izy iregny hiamboho ka ho afa-baraka, de ze mifaly amin'ny fahavoazako.3 Ôka izy iregny hiamboho noho ny hegnatr'izy iregny, de ireo magnano hoe: "Aha, aha"4Ôka ze daôly mikaraka An'na de hifaly sy hiravoravo aminao; ôka ze te ny famonjenao hiteny isan'andro isan'andro hoe: "Hoderaina ane Andriamanitra." 5Kanefa mahantra sy ory za; vonjeo malady za Andriamanitra ô; Anao no fagnavotana anà ary magnavotra anà. Jehovah ô, aza ela
Chapter 71

1Aminao, Jehovah no hialofako; aza avelanao ho megnatra miitsy za. 2Vonjeo za ary arovo agnatin'ny fahamarinanao; atongilagno aminà ny sofignao ka avoto za.3 Meteza ho votolampy fialofana ho anà mba ahafahako mande hatraigny; fa efa nagnome baiko ny hagnavotana anà Anao. Fa Anao no vatolampy sy batery fiarovana anà4Vonjeo za, Andriamanitra ô, amin'ny tagnan'ny ratsy fagnahy, ary amin'ny tagnan'ny tsy marina sy lozabe. 5Fa Anao no fagnantenako, Jehovah Tompo. Efa nitoky taminao fôgna za hatramin'ny za mbola zaza.6Taminao no nagnankignako anà hatraigny ambohoka; Anao le namôka anà avy takao an-kimon'ny reniko; ka deraiko hatraigny Anao. 7Fitaratra ho an'ôla maro za; Anao no fialofako mafy.8Ho feno fiderana An'nao ny vavako, mandritra ny andro ny voninahitrao. 9Aza manary anà amin'ny fotônan'ny fahanterana; aza mahafoy ana raha ketraka ny heriko.10Fa mikoragna ny momba anà ireo fahavaloko; ireo ze mifofo ny aignako miara-miteti-dratsy.11 Ozy zareo hoe: "Efa nahafoy an'azy Andriamanitra; enjeho izahay alao fa tsisy ôla hagnavotra an'azy."12Andriamanitra ô, aza magnalavitra anà; Andriamanitra, malaky hagnavotra anà. 13Ôka zareo ho megnatra sy ho rava, de reo ze feno fankahalana amin'ny fiaignako; ôka izy iregny ho rakotra latsa sy fahafam-baraka, de ze mikaraka ny fahavoazako.14Fa za kosa hagnantegna Anao isan'andro isan'andro ary hidera Anao hatraigny hatraigny.15 Ny vavako hilaza mombany fahamarianao sy ny famonjenao mandritry ny andro, na de tsy takatro aza izany. 16Ho avy za am'reo aza maherin'ny Jehovah Tompo; hanognona ny fahamarinako za, de ny An'nao rerika.17Andriamanitra ô, efa nampianatra anà Anao hatramin'ny fahatanorako; hatramin'izao aza de magnambara an'ireo asanao mahagaga za.18 Eny tokô fa na de antitra sy fotsy volo aza za, Andriamanitra ô, de aza mahafoy ana, satria efa nampafantatra ny herinao tamin'ny taranaka fara mandimby za, ary ny fahefanao tam'ze daoly mbôla ho avy.19Ny fahamarinanao fôgna kô, Andriamanitra ô de tegna tapitr'ôtra; Anao ze no zava-deibe, Andriamanitra ô, iza no ôtra An'nao?20 Anao ze nagnatoro an'nay fahorena mahery vaika maro no hamelona an'nay sy hampakatra anay avy tamin'ny halalignin'ny tany ndre.21Hampitombo ny voninahitrao ane Anao; mitode ndre ka ampaherezo za.22 Hanolotra fisaorana Anao kô za amin'ny lokanga noho ny famendreham-pitokisanao, Andriamanitra; ho Anao ny hihirako fiderana amin'ny lokanga, ry Masin'Israely.23Hihoby ny molotro rafa mihira fiderana ho Anao za-na de ny fagnako aza, de efa novonjenao.24 Ny lelako kô de hiresaka momba ny fahamarinanao andro lava; fa efa nomegnarinao zareo ary very hevitra, de ireo ze magniry ny fahavoazako
Chapter 72

1Ameo ny mpajaka ireo lalànao marina, Andriamanitra ô, ny fahamarinanao hoan'ny zanaka lahin'ny mpanjaka. 2Hitsara ny vahôkanao amin'ny fahamarinana ane izy ary ny mahantranao amin'ny fahitsina. 3Hamô fiadanana amin'ny ôla ané ireo tendrombotra; ary hamô fahamarinana kô ane ny tanety ambo.4Hitsara ny mahantra amin'ny vahôka ane izy; hagnavotra an'ireo zanaky ny ory ane izy ka hamotipotika ny mpampahory. 5Hagnome voninahitra Anao ane zareo raha mbôla akeo kô ny masoandro, ary raha mbôla maharitra kô ny volana magnerana ny taranaka hifandimby daôly.6Hirotsaka otran'ny orana aigny amin'ny ahitra vôtapaka ane izy, salan'ny rotsak'orana ze manondraka ny tany. 7Hamogny amin'ny androny ane ny ôla-marina, ary hoisy fiadanam-be ane mandrapafoangnan'ny volana.8Izy ane hanagna fanapahana amin'ny ranomasina mankaigny amin'ny ranomasina ary amin'ny ogny ka hatraigny am'reo vazan-tany.9 Hiankoka akeo agnatrahany ane ze mipetraka aigny agnefitra; hisolelaka am'vovoka ane ireo fahavalony. 10Ireo mpanjakan'ny tarisisy sy ireo nosy ane handô hetra; ireo mpanjakan'i Sheba sy seba ane hanolotra fagnomezana.11Ho lava akeo agnatrehany tokô ane ny mpanjaka daôly; hanompo an'azy ane ireo firenena daôly. 12Fa magnavotra ny ôla ory sy mahantra ze mitaraina tsy managna mpagnavotra hafa izy.13Mamindra fo amin'ny mahantra sy ory izy, ary magnavotra ny aignan'ny ôla ory.14 Mamonjy ny aignan-jareo amin'ny fampahorena sy ny setrasetra izy, ary sarobidy akeo amasony ny ràn-jareo.15Ho velona ane izy! Hamena an'azy ane ny volamenan'i Sheba. Hivavaka ho an'azy fôgna ane ny ôla; hitahy an'azy andro lava ane Andriamanitra. 16Hoisy betsaka ane ny vary aigny amin'ny tany; eny aigny antampon-tendro mbotra ane no hoisy ny voliny mihofahofa. Ho salan'ny libanona ane ny vokatr'izany; hamogny ôtran'ny ahitran'ny saha ane ny ôla akao antanàna.17Haharitra mandrakizay ny agnarany; haharitra ôtran'ny masoandro ane ny agnarany; ho sambatra akao aminazy ane ny ôla; hagnantso an'azy hoe sambatra ane ny firenena daôly.18Isaorana ane Jehovah Andriamanitra, de le Andriamanitr'Israely, izay izy rerika fôgna ny magnano ra mahagaga. 19Isaorana mandrakizay ane ny agnarany be voninahitra, ary ho feno ny voninahiny ane ny tany daôly. Amena de Amena. 20Tapitra ny fivavahan'i Davida zanak'i Jese, boky fahatelo.

Chapter 73

1Salamo natao'i Asafa. Azo antoka tokô fa Andriamanitra de tsara amin'Israely, am'reo madio fo. 2Fa raha za alô, de seky nibolisatra ny tongoko; saky solafaka ny deko. 3Satria nitsiriritra ny mpirehareha za raha nahita fa ambinena ny ratsy fagnahy.4Fa tsy mba mijaly zareo mandra-pafatiny, fa de mahery sy vôfahana tsara. 5Afaka amin'ny fampajalin'ny leila hafa zareo; tsy mba ory ôtran'ny ôla hafa.6Mandravaka an'azy ireo ôtran'ny rojo akeo amin'ny vozogny ny fireharehana; ny herisetra no tafiny salan'ny tohitegna. 7Avy tamin'ny fahajambana salan'izany no hivoahan'ny ota; miotrika agnatin'ny fonjareo ny eritreri-dratsy.8Magneso sy miteny ratsy zareo; avognavogna no andrahognan-jareo fampahorena. 9Manoitra ny lagnitra ny vavan-jareo, ary mamakivaky ny tany ny lelany.10Noho izany de mitodika amin-jareo ny ôlony ka no vôteligny. 11Ozy zareo: "manakory ma ny ahaizan'Andriamanitra an'izany? Nga ma misy mahay ze akao amin'ny Avo Indrindra?" 12Hevero tsara fa: iregny ôla regny de ratsy fagnahy; tsy mivaky lô isan'andro isan'andro izy regny, ka tonga mpanan-karena de manan-karena.13Zava-pagna de zava-pagna ny namehezako ny foko sy ny nanasako tagnana mba tsy hanan-tsigny. 14Nampijalina andro lava za, ary nifaizina isaky ny ampôlakeka.15 Raha ôtra za ka nilaza hoe: "holazaiko ireo ra'reo," de efa namadika an'ity taranaka fara andimbin'ny zanakao'ty za.16Na izany aza de niezaka nanakatra ireo ra reo za, tegna sarotra taminà anefa zany. 17Ka nande tamin'ny fitôrana masin'Andriamanitra za ka natakatra ny nahazo an'njareo.18Napetrakao tamin'ny tôrana malama tokô zareo; naetrinao tamin'ny faharavana zareo.19 De tonga ôtran'ny efitra zareo tagnatin'ny fotôna fohy! Tonga rava sy potika zareo ka miafara tamin'ny horohoro mamparikoriko.20 Ôtran'ny nofy afaran'ny fifohazana zareo; tompo ô, rafa miarina Anao, de tsy hieritreritra na ino na ino am'regny nofy regny.21Fa nafiraina ny foko, ary naratra mafy za.22 Tsy nahay za ary tsy mba lalin-tsaigna; salan'ny biby tsisy dikany za magnolôna An'nao.23Nefa za miaraka aminao hatagny; mitana ny tagnako ankavanana Anao. 24Agnome toro-hevitra anà Anao ary afaran'izany de andray anà am-boninahitra.25Managna an'iza afa-tsy Anao ma za aigny andanitra? tsisy iriko afa-tsy Anao aty ambonin'ny tany. 26Miha-ketraka ny nofoko sy ny foko, fa herin'ny foko mandrakizay Andriamanitra.27Ho levona reo ze alavitra An'nao; haripakao ze daôly tsy matoky An'nao. 28Fa raha za alô, de ny magnantogna an'Andriamanitra ny ataoko. Efa nagnano an'i Jehovah Tompo ho fialofako za. De hagnambara an'reo asanao daôly za.
Chapter 74

1Maskila nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, nagnino no de nandà an'nay mandrakizay Anao? Nagnino no de misafôka amin'ny ondrin'ny kijaninao ny fahasosenao? 2Tsarôvo ny ôlonao, ze ninjenao tam'fotôna talô, ny foko ze efa navotanao mba ho lovanao manohana, sy ny tendrombohitra Ziona, ze petranao.3Tongava hijery ny faharavàna tanteraka, ny faharatràna daôly ze nataon' fahavalo tam'fitôrana masina. 4Mierogna akeo ampovôn'ny tôrana vôtondronao reo mpifagnandrina Aminao; mametraka ny saignan'ny adiny.5 Nanapatapaka tam'famaky ôtran'ny akaigny amin'ny ala mikitroka zareo.6 Namotipotika sy nandrodana reo sikotra daôly: novakin-jareo tam'famaky sy fipoka.7Mandoro ny fitôrana masina zareo: manimbazimba ny fonenanao, mandavo an'zany am'tany.8 Ozy zareo agnaritreritra: "Hopotehinay avy izy daôly reo." Nidorôn-jareo daôly ny tôranao fihaognana daôly taigny am'tany.9Tsy mahita famantarana intsony zahay; tsisy mpaminagny intsony, ary tsy aminay mahafantatra ze faharetan'zany.10 Mandrapa-ôvena, Andriamanitra ô, no handefasan'reo fahavalo opa akaigny aminao? Nga hitare ratsy ny Agnaranao mandrakizay ma zareo?11 Nagnino Anao no mitana ny tagnanao, de ny tagnanao ankavanana? Alao ny agnaty akan-jonao ny tagnanao ankavanana ka aringano zareo.12Kanefa Andriamanitra de mpanjakako efa hatram'talô, mitondra famonjena am'tany.13 Anao no nampisaraka ny ranomasina tam'herinao; Anao no namotika ny loharanon'reo dragon'ny ranomasina takao agnaty rano.14Anao no namotipotika ny lôn'reo Leviatana; Anao no namahana an'azy nahatonga an'azy velona taigny agnefitra.15 Anao no nampivôka lôrano sy regna; Anao no nandritra ny ogny mikorigna.16An'nao ny andro, ary An'nao kô ny alina; Anao no nametra ny Masoandro amam-bolana am'tôrany.17 Anao no nametraka ny vazan-tany daôly; Anao no nagnano ny fahavaratra sy ny ririnina.18Tsarôvo ny fomba naniratsiran'ny fahavalo An'nao, ry Jehovah, ary reo ôla adala ze efa nitare ratsy ny Agnaranao. 19Aza apetraka akeo am'bibidia ny aignan'ny varomailalanao. Aza magnadino mandrakizay ny aignan'reo ôla An'nao nampahorena.20Tsarôvo ny fanekenao, fa ny faritra maizigna am'tany de feno tôran'herisetra. 21Aza avela hiverigna am'hegnatra reo ze nampahorena; avilao hihoby ny agnaranao ny mahantra sy ny nampahorena.22Mitsangàna, Andriamanitra ô; arôvo manokana ny voninatrao; tsarôvo ny fomba nandatsan'ny adala An'nao fotôna lava. 23Aza magnadino ny feon'reo mpifagnandrina aminao na ny latabatr'reo ze mikatsika An'na tsy ankijanona.
Chapter 75

1Saotra no atolotray An'nao Andriamanitra ô; saotra no atolotray, satria magnambara ny fagnatrehanao Anao; ny ôla milaza an'reo asanao mahagaga. 2Hitsara ara-drariny za am'fotôna vôtondro. 3Na de mangitakitaka am'tatra aza ny tany sy ny mponina daôly de hamafisiko reo andrin'tany. Sela4Ôzy za tam'mpirehare hoe: "Aza miendaenda," ary tam'ratsy fagnahy hoe: "Aza magnandratra ny tandroka. 5Aza magnandratra ny tandrokao amin'ny Avo; aza mitare amin'ny mpagnambany." 6Tsy avy aigny antsinanana zany na kô avy aigny an-drefana, ary tsy aigny agnefitra kô no nahatongavan'zany fisandratana zany.7Fa Andriamanitra no mpitsara; Izy no mpampietry ary Izy no manandratra. 8Fa Jehovah mitana ny kapoakan'divay mandrôtra am'tagnany ze vôaro hagnitra, ary magnidigna an'zany. Hisotro an'zany hatram'fara-faikany tokô ny ratsy fagnahy daoly am'tany.9Fa izao kosa hilaza hatraigny ze efa nataonao: hihira fiderana ho an'Andriamanitr'i Jakoba za. 10Ozy Izy: "Hamongotra ny tandroky ny ratsy fagnahy daôly Za, fa ny tandroky ny ôlo-marina kosa ho asandratra agnambo."

Chapter 76

1Ho an'ny mpiventy hira, ampiarahana am'lokanga. Sala,o nataon'i Asafa, tonon-kira.2 Nampahafantatra ny tegnany takao Joda Andriamanitra: lehibe akao Israely ny Agnarany. Akao Salema ny lainy; akao Ziona ny tôram-ponenany. 3Takaigny Izy no nanapaka reo zana-tsipìkan'ny tsipìka, ny ampinga, ny sabatra, ary reeo fitaovam-pedena hafa. Sela4Magnazava mamirapiratra Anao ary magnambara ny voninatrao, raha midigna avy akaigny am'reo tendrombohitra, taigny am'ze ramononao reo niharamboina. 5Vôbabo ny mahery fo; ka regnoka zareo. Tsy afa-nanôtra ny mpiady daôly.6Tam fibedesanao, ry Andriamanitr'i Jakoba, de samy midôzegna na ny mpitikina na ny sovaly. 7Anao, eny Anao, no hatahôrana; iza no afaka nitsangana akeo amasonao rafa sosy Anao?8Avy akaigny an-dagnita no nampandregnesanao ny fitsarànao; natatra sy nangina ny tany9 raha igny Anao, ry Andriamanitra, nitsangana hagnatanteraka fitsaràna sy hagnavotra ze nampahoren'tany daôly. Sela10Hitondra fideràna ho An'nao tokôtra ny fitsaranao sosy amin'Ôlombelona; tananao ho an'tegnanao sy ny sisa am'fahasosenao.11Magnanaova voady am'Jehovah Andriamanitrao ary tàno regny. Hitondra fagnomezana ho an'Azy ze tokony atahôrana anie ze daôly magnodidigna an'Azy.12 Mamongotra ny fagnahin'reo andriana Izy; ary atahôran'reo mpanjakan'tany.
Chapter 77

1Ho an'ny mpiventy hira; araka ny fomban'i Jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Hagnantso mafy an'Andriamanitra am'feoko za; hagnantso an'Andriamanitra am'feoko za, ary haregny anà ny Andriamanitro.2Nikaraka ny Tompo za tamin'ny androm-pahorenako; nagnatsotra ny tagnako za nony alina, ary tsy nety reraka reo. Tsy nety nampiononina ny fagnahiko. 3Nieritreritra an'Andriamanitra takeo am-pisentona za; rafa niha-antitra za de nieritreritra ny moba an'Azy. Sela4Nampaharitra ny masoko Anao; ory tanteraka za raha hitare. 5Nieritreritra reo andro talô za, de reo fotôna maro lasa.6Nandritra ny alina de nitamberina akao an-tsignako le hira niraiko ndray andro. Nandinika tsara za ary niezaka nanakatra ze nitranga. 7Handà anà mandrakizay ma ny Tompo? Tsy haneho sitraka am'nà ntsony ma Izy?8Nga tsy efa lasana mandrakizay ny fitiavany mahatoky? Nga ma tsy efa fôgna mandrakizay ny fampagnantenany? 9Nga ma Andriamanitra efa nagnadino ny maha mpamindrafo? Nga ma ny hasosena efa nagnidy ny fangoraham-pony? Sela10Ozy za hoe: "Zao no alaheloko: de ny fiovan'ny tagnana ankavanan'le Avo Indrindra mankaigny amintsika."11Fa hitamberina akato an-tsignako reo asanao, ry Jehovah; hihevitra ny am'reo asanao mahagaga fahiny za. 12Hisain-tsaigna reo asanao daôly za ka handinika an'azy reo.13Ny lalanao, Andriamanitra ô, no masina; andriamanitra ino ma no hampitovizina amin'Adriamanitra lehibe? 14Anao le Andriamanitra ze magnano fahagagàna: efa naneho ny herinao takeo am'reo ôla Ianao.15 Nagnome fandresena ny vahôkanao tamin'ny alalan'ny herinao leibe Anao-de reo taranak'i Jkoba sy Josefa.16Nahita An'nao ny rano, Andriamanitra ô; nahita An'nao ny rano, ary de raiki-tatra: nihorohoro ny laligna. 17Nipatrapatraka ranon'orona ny rôndro. Ny habakabaka feno rôndro mamôka feo; Nifagnaretsaka ny zana-tsipikanao.18Ny feonao mikotroka de regny am'rivotra; ny tselatra nagnazava ny tany; nihorohoro sy nangozohozo ny tany. 19Nandalo tam'ranomasina ny lalanao ary ny denao tam'rano magnonja nefa tsy tazagna ny den-tongotrao. 20Nitondra ny vahôkanao ôtran'ny ondry aman'osy tamin'ny alalan'tagnan'Mosesy sy Arona Anao.
Chapter 78

1Maskila nataon'i Asafa. Mitainô ny fampianarako, ry vahôkako, tainô reo teny taraviko. 2Hitare amin'ny alalan'fagnoarana za; hihira makasika reo zava-miafina momba ny lasana za.3Reo de ra efa regninay sy efa nianaranay ra ze efa nitaravin'reo razambenay. 4Tsy hanitrika an'regny am'taranak'zareo zahay. Hilaza am'reo taranaka mandimby reo asa mendri-piderana nataon'i Jehovah, ny heriny ary reo ra mahagaga efa vitany zahay.5Fa nametraka didim-panekena tam'Jakoba Izy, ary nagnendry lalàna taigny Israely. Nandidy reo razambeanay Izy mba hampianatra an'azy reo am'reo zanagny.6 Nandidy an'zany Izy mba hafantaran'reo taranaka handimby reo didiny, de reo zanaka mbôla tsy teraka mihintsy, ze tokony hagnambara an'zany am'zanak'zareo ihany.7Ary hametraka ny fagnantenany amin'Andriamanitra zareo ka tsy hagnadino an'reo asany, fa hitandrina an'reo didiny. 8Ka de tsy ho sahala an'reo razambenay, ze mafy hatoka sy taranaka mpivadika, taranaka ze tsy mba mahitsy fo, ary tsy mba nanolotra ny fagnahiny sy nitoky tamin'Andriamanitra zareo.9Reo Efraimita, de nigorovoka tsipika. Kanefa maty zareo tamin'ny andron'ny ady.10 Tsy nitandrina ny fanekena tamin'Andriamanitra zareo, ary nanda ny hankatò lalàna. 11Nagnadino reo asany zareo, de reo ra mahagaga ze efa nabôgnany an'azy reo.12Nagnadino reo ra mahagaga ze nataony takeo amason'reo razambenay taigny am'tany Egypta, taigny am'tanin'i Zoana zareo.13 Nagnasaraka ny ranomasina Izy ary nitondra an'azy reo namakivaky an'zany; mitsangana ôtran'tamboko ny rano. 14Rôndro no nitaritany an'azy reo rafa antoandro ary afo rafa alina.15Namaky an'reo Vatolampy taigny agnefitra izy, ary de nagnome rano betsaka be ho an'azy reo, ampy hamenona ny halaligny ny ranomasina. 16Nampikorigna ny rano avy tam'vatolampy Izy ary nataony mikorigna ôtran'renirano zany.17Kanefa mbôla nanohy nagnota tamin'Azy fogna zareo, fikomina tam'le Avo indrindra taigny agnefitra. 18Nikatsika an'Andriamanitra tam'fony zareo, tamin'ny alalan'fangatahana ahanina mba hahavoky an'azy reo.19Nitare nanotra an'Andriamanitra zareo; ozy zareo hoe: "Afaka mamelatra latabatra ho an'nay akaigny agnefitra takô ma Andriamanitra? 20Raha ny namaky vatolampy izy, de nande ny rano ary nikorigna nandifotra, nefa afaka nagnome mafo ihany kô ma izy? Hamatsy hena ho an'reo vahôkany ma izy?"21Rafa regnin'Jehovah zany, de sosy izy, ka de nandoro an'i Jakoba ny afony, ary namely ny Israely ny hasoseny, 22satria zareo de tsy nino an'Andriamanitra ary tsy natoky ny famonjeny.23Kanjo nandidy ny habakabaka agnambo izy ary nagnokatra ny varavaragn'lagnitra.24 Nandraraka mana ôtran'ranonorana Izy mba hohanin'jareo ary nagnome vary an'azy reo avy akaigny an-danitra. 25Nihinana ny mofon'ny anjely ny vahôka. Nandefa ahanina betsaka be ho an'njareo Izy.26Nampitsoka ny rivotra avy aigny ambony taigny an'habakabaka izy, ary tamin'ny alalan'heriny no nibaikony ny rivotra avy aigny atsimo.27 Nandatsaka hena tamin-jareo ôtran'vovoka Izy sy vorogna betsaka ôtran'ny fasi-dranomasina. 28Reo de nilatsaka takeo ampovôn'tobin-jareo, nagnodidigna ny lainy daôly.29Ary de nihinana zareo ka voky, nameny an'azy reo ze nikarany mafy. 30Nefa mbôla tsy afa-po fogna zareo; ny ahaniny anefa mbôla taigny am-bavany.31Ka de namely an'azy reo ny hasosen'Andriamanitra ary namono ny matanjaka indrindra tamin-jareo. Nandevo reo odan'Israely Izy. 32Na de teo aza zany, de mbôla nagnota fogna zareo, ary tsy nino reo asany mahagaga.33No zany Andriamanitra de nagnafoéka ny andron'jareo ary feno horohoro ny taonany.34 Tamin'ny andro ze nampahorian'Andriamanitra an'azy reo, de nanomboka nikatsaka an'Azy, ary niverigna nikaraka an'Azy mafy.35Hitamberigna akao an-tsaignan-jareo fa Andriamanitra no vatolampiny ary le Andriamanitra Avo Indrindra no mpamonjy an'azy reo. 36Kanefa handokandoka an'Azy am'vavany zareo ary handainga amin'Azy am'teniny. 37Satria tsy mbôla nifikitra tanteraka tam'fony zareo, ary tsy nahatoky ny fanekeny.38Fa Izy kosa, am'maha mpamindra fo, de namela ny helok'izy reo ary tsy namotika an'azy reo. Eny, matetika Izy mitana ny hasoseny, ary tsy nagnetsika ny fahavinirany daôly.39Tsarôvany fa zareo de vita am'nofo, rivotra mandalo ary tsy miverigna intsony.40 Impiry ma zareo no nivadika tamin'Azy taigny agnefitra ary nampalahelo an'Azy taigny am'tany ngazagna!41 Nikatsika an'Andriamanitra hatraigny hatraigny zareo, ary nanafintona an'le Masin'Israely.42Tsy mba nisaina ny am'fahefany zareo, de ze nagnavotany an'azy reo tam'fahavalony.43 Raha nagnatanteraka reo famantarany mampihorohoro taigny Egypta Izy ary reo fahagagany taigny am'faritanin'i Zaona.44Navadiny ho rà ny ranon'i Egypta mba tsy hafan-jareo misotro akeo am'reniranony.45 Nandefa andian-dalitra ze nandevona an'azy reo Izy ary saogna ze niparitaka tam'tanin-jareo. 46Nameny ny sompanga ny famboleny ary ny asany nomeny valalagna.47Nipotehany tam'havandra ny vôlobok'izy ireo ary ny amontany tam'havandra betsaka.48 Nandefa havandra tam'biby tahirin-jareo sy nandefa varatra tamin'ny ondry aman'osiny izy. 49Nitaroka an'azy reo fisafôkan'fahasoseny. Nandefa fahavinirana sy fahasosena, ary fahorena ôtrany singa mitondra loza Izy.50Nagnamarika ny lalana ho am'fahasosena Izy; tsy niaro an'azy reo tam'fahafatesana izy; fa kosa nanolotra an'azy reo ho an'ny areti-mandringana. 51Namono ny lehilahy teraka vôlôny daôly takao Egypta Izy, ny vôlôn-teraky ny herin-jareo tskao an-dain'i Hama.52Nitondra ny ôlony nivoka ôtran'ny ondry Izy ary nitaika an'azy reo taigny agnefitra ôtran'ny ondry aman'osy. 53Nentiny am-pilaminana zareo ka tsy natatra, fa ny ranomasina kosa nandifotra reo fahavalony.54Ary nitondra an'azy reo taigny amorogny tany masina Izy, tam'zany tendrombohitra ze azon'tagnany ankavanana zany. 55Nandrôka reo firenena takeo agnolônan-jareo Izy ary nanendry an'reo ho lovany. Nametraka reo fakon'Israely takao an-dain-jareo Izy.56Nefa nihantsy sy nagnano fanamby tam'le Andriamanitra Avo Indrindra zareo ary tsy nitandrina reo didiny masina. 57Tsy natoky zareo ay nivadika ôtran'reo razagny; nania sahala ny tsipìka diso zareo.58Satria zareo nampasosy an'Azy tam'fitorana ambon-jareo ary nikatsika ny hasarontampiarony tam'reo sampy. 59Rafa naharegny an'zany Andriamanitra, de sosy sy nandà tanteraka an'Israely.60Nandao ny fitoerana masina takao silo Izy, de le lay nitôrany tam'reo vahôka. 61Namela ny heriny ho babo Izy, ary nagname ny voninahiny ho akeo an-tagnan'fahavalo.62Nanolotra ny ôlony ho am'sabatra Izy, ary sosy tam'lovany. 63Ny afo no nandevona ny gaon-da-jareo, ary tsy mba nanagna hira fampakarana ny tovovaviny.64Lavon'sabatra reo mpisorogny, ary tsy naha tomagny reo mpitondrategnany. 65Ary teo de nifô ôtran'ny avy natory ny Tompo, ôtran'mikaikaika mamon'divay. 66De nandrôka reo fahavalony Izy; ary nametraka an'azy reo ho am'hegnatra mandrakizay.67Nilaviny ny lain'Josefa, ary tsy nifidy ny fokon'i Efraima Izy. 68Ny fokon'Joda sy ny tendromboitra Ziona teny no nosafidiny.69 Nagnorina ny fitôrany masina ôtran'lagnitra Izy, ary ôtran'tany ze efa nahoriny mandrakizay.70Nisafidy an'Davida, mpanompony Izy, ary nialaka an'azy avy taigny ambalan'ondry.71 Nialaka an'azy avy tam'fagnarahana reo ondry vavy niaraka am'zanagny Izy, ary nitondra an'azy ho mpiandry an'i Jakoba, sy ny vahôkany, ary Israely lovany. 72Nandigny an'azy reo tam'fahitsin'fony i Davida, ary nitondra an'azy reo tam'fahaizan'tagnany.
Chapter 79

1Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô! firenen-kafa no efa tonga akeo am'lovanao; efa vôloton-jareo ny tempolinao masina; efa nagnano an'Jerosalema ho antom-pandravana zareo. 2Efa nagnome reo fatin'mpanomponao ho sakafon'voron'habakabaka zareo, ny vatagn'reo ôlonao matoky ho an'bibin'tany.3 Efa nalatsak'zareo ôtran'rano magnodidina an'Jerosalema ny ràny, ary tsisy mba andevina an'azy reo.4Tonga latsa ho an'reo namanay zahay, fagnesona sy fimezana ho an'ze magnodidigna an'nay.5 Mandra-pahovena ry Jehovah? Hijanona ho sosy aminay mandrakizay aminay ma Anao? Mandra-pahovena ny fahasosenao saro-piaro no handoro ôtran'ny afo?6Aidigno am'reo Firenena ze tsy mahafantatra An'nao sy am'reo fanjakana tsy magnano fiantsoana amin'ny agnaranao ny fahasosenao. 7Fa efa nandevona an'Jakoba sy nandrava ny tanànany zareo.8Aza mitàna ny fahotan'reo razam-benay hanotra an'nay; ôka ny asan'famindram-ponao no ho tonga aminay, fa tegna osa zahay.9 Ampeo zahay, ry Andriamanitry ny famonjena an'nay, noho ny am'voninahitry ny agnaranao; vonjeo zahay ary mamelà ny helokay noho ny amin'ny agnaranao.10Nagnino reo firenena no tokony hitare hoe: "Aiza ze Andriamanitr'zareo?" Ny ràn'mpanomponao ze nalatsaka anie no hamaly faty an'reo Firenena akeo agnatrehan'masonao. 11Ôka ny fisenton'reo gadra akeo agnolônanao; am'fahalebiazan'fahefanao no hitananao reo zanaky ny fahafatesana ho velona.12Valeo impito haigny akeo am-pofônan'reo Firenena ankeky an'nay mandombolombo ny fagniratsirana ze efa naniratsirany An'nao, ry Tompo.13 Fa zahay ôlonao sy ondry fiandrinao ded hagnatitra fisaorana ho An'nao mandrakizay. Hagnambara ny fiderana An'nao am'reo taranaka daôly zahay.
Chapter 80

1Ho an'mpiventy hira, atao amin'ny endrika Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Mihainô, ry mpiambina ny Israely, Anao ze mitarika an'Josefa ho ôtran'ny ondry aman'osy; Anao ze mipetraka akeo ambonin'kerobima, mamirapita aty aminay!2 Akeo amason'i Efraima sy Benjamina ary Manas, ampiaro ny fahefanao; tongava ka vonjeo izahay. 3Andriamanitra ô, aviregno zahay; ampamirapirato aminay ny tavanao, de vôvonjy zahay.4Ry Jehovah Andriamanitra Tompon'maro, mandra-pahovena Anao no sosy am'vahôkanao raha mivavaka zareo? 5Anao efa nampihinana an'azy reo tam'mofon-dranomasino ary nagnome an'azy reo ranomaso betsaka be hosotroiny.6 Magnano an'nay ho ra hifandirana ho an'namanay aminay Anao, ary ny fahavalonay mihomeh ny momba an'nay akeo amin-jareo.7Ry Andriamanitra Tompon' maro ô! aviregno zahay, ampamirapirato aminay ny tavanao, de vôvonjy zahay. 8Anao no nitondra vôloboka avy aigny Egypte, ka nandrôka reo Firenena sy namboly an'zany.9Nagnadio ny tany ho an'zany Anao, nitombo faka ka nameno ny tany. 10Reo tampotanety de vôrakotry ny alokalogny, reo Sederan'Andriamanitra alofan'sampagny.11 Naparitagny hatraigny am'ranomasina ny sampagny ary ny sakeligny tamin'ny ogny Efroata.12Nagnino no niravanao ny tambony mba hiotazan'ze mandalo daôly ny vôny. 13Ny lambo avy akaigny agnaty ala no mandratra an'zany, ary ny bibin'saha mihinana an'zany.14Miveregna, ry Andriamanitra Tompon'maro, tsinjovo avy akaigny an-danigtra ka hevero sy karakarao ty vôloboka ty. 15Ty no faka ze nambolen'tagnanao ankavanana, ny tsiriry ze nampanirinao. 16Nidorôna zany ary vôkapa; ripaka nohon'fitaravanao an'azy reo.17Ny tagnanao ane ho akeo amin'ny ôlon'tagnanao ankavanana, ho akeo am'zanaky ny ôla ze nampaherezinao ho An'nao.18 De tsy hiala Aminao zahay; velomo ndre zahay, de hagnantso ny anaranao.Ry Jehovah Andriamanitra Tompon'maro, aviregno zahay, ampamirapirato aminay ny tavanao, de vôvonjy zahay.
Chapter 81

1Ho an'mpiventy hira; atao am'fomba Gitita. Salamo nataon'Asafa. Mihirà mafy ho an'Andriamanitra herin'tsika; magnanaova hiakam-pifalena ho an'le Andriamanitr' Jakoba. 2Venteso ny hira ary doboy ny ampanga tapaka, ny lokanga mahafinaritra sy ny valiha. 3Tsofo ny anjomaran'odrilahy amin'ny andron'volana vaovao, amin'ny andron'volana vaovao, rafa metomboka ny andro firavoravôn-tsika.4Fa izany no lalàna ho an'Israely, didy namen'Andriamanitr'i Jakoba. 5Navôkany ho fitsipika akao am'Josefa zany rafa nandeha nanotra ny tany Egypta izy, ary nandrignesako feo ze tsy fantatra:6Nalàko ny enta-mavesatra takeo an-tsorogny, afaka tam'fitanana sobika ny tagnany. 7Nagnantso mafy anao takeo agnatin'fahorenao, de namonjy an'nao Za; namaly an'nao tam'kotro-drôndro maizigna Za. Nitsapa an'nao takao am'ranon'Meriba Za. Sela8Mitainô, ry vahôkako fa hampitandrina an'nareo Za ry Israely, raha mba nitaino Anà mantsy anareo! 9De tsy hisy an-driamani-kafa takeo aminareo aminareo; tsy mahazo manompo andriamani-kafa anareo. 10Zaho no Jehovah Andriamanitrareo, ze nitondra an'nareo niala avy taigny am'tany Egypta. Sokafo midagnadagna ny vavanareo de hameno an'zany Za.11Nefa tsy nitiaino ny teniko ny ôloko, tsy nankato anà ny Israely. 12Ka de natolotro ho an'hamafisan-dôhany ihany zareo hahafahany magnano ze hitany fa manjary amin'azy.13Indrisy, raha mba nitaino anà mantsy ny ôloko, raha mba nandeha tam'lalako ny ôloko.14 De naringako malaky ny fahavalo-jareo ary ha tsotrako hanotra ny mampahory an'azy reo ny tagnako.15Tonga anie ze mankahala an'Jehovah henkoka am'tatra akeo agnatrehany! ho megnatra mandrakizay anie zareo. 16Ho fahanako vary tsara ndrindra ny Israely hameko fahafaham-po am'tintely avy am'vatolampy anareo."

Chapter 82

1Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra de akao am'fiangonana masina; akeo ampovôn'reo andriamanitra ze ameny fitsarana.2 Mandrapahovena no hitsaanareo tsy ara-drariny sy haneho fiangarana am'ratsy fagnahy? Sela3Arôvo ny mahantra sy ny kamboty; ameo sariny ny ory sy ny malahelo. 4Vonjeo ny mahantra sy ny sahirana; afaho am'tagnany ratsy fagnahy iz'regny.5Tsy nahalala na nahatakatra mihintsy zareo; nivendrivendry takao agnaty aizigna nirodana ny fagnambanin'tany daôly.6Ozy za hoe: "Anareo no andriamanitra, ary anareo daôly de zanaky ny avo ndrindra. 7Na zany aza de ho foaty ôtran'ny ôla sy ho lavo ôtra ny raika am'reo andriana ihany anareo."8Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany, fa managnalova aigny am'reo firenena daôly Anao.
Chapter 83

1Tonon-kira nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina! Aza magnano tsinotsinona an'nay sy hijanona tsy mihetsika, Andriamanitra ô. 2Magnano fikomiana ny fahavalonao ary ze mankahala An'nao efa nampitreka ny lôny.3Mitetika ny hanotra ny ôlonao zareo ary niara-nikasa ny hanotra reo vonaronao. 4Efa nitare zareo hoe: "Ave, ary andeha atsika hamotika an'azy reo sahalan'firenena raika. Ary de tsy ho tsarôvana intsony ny agnaran'Israely." 5De niara-nitetika paik'ady raika zareo; ka nikambana hanotra An'nao.6Isan'zany ny lain'ny Edoma sy ny Ismaelita, ary ny vahôkan'Moaba sy reo Hagrita, ze niara-niteti-dratsy tam'i 7Gebala, sy Amona, Amaleka; ary isan'zany kô Filistina sy reo mponina tao Tyro.8Nikambana tamin-jareo ihany kô Asyria: magnampy ny taranak'lota zareo. Sela9Ataovo amin'azy ôtran'ny nataonao tam'Midiana, ary ôtra ny nataonao tam'Sisera sy tam'Jabona takao amin'ny agny kisona.10 Maty taigny En-dora zareo ary lasana ôtra ny zezika ho an'ny tany.11Ataovo ôtran'Horeba sy Zeba ny mpanapak'zareo, ary ôtran'Zebaha sy Zalmona ny andriany daôly. 12Ozy zareo hoe: "Andeha ho alaintsika ho an-tsika ny kijanin'Andriamanitra."13Andriamanitra ô, ataovo ôtra ny tadio zareo, 14ôtra ny hofoka akeo agnolônan'rivotra, ôtra ny afo ze mandoro ny ala, ary ôtran'ny lelan'afo ze mampirehitra an'reo tanety. 15Enjeo am'rivo-maherinao zareo, ary ampihorohoroy am'tafio-drivotrao.16Fenô hegnatra ny tavan-jareo mba hafahany mikaraka ny Agnaranao, ry Jehovah. 17Ho megnatra sy hangorohoro mandrakizay anie zareo; ary ho foaty agnaty fahafaham-baraka.18Ary de ho fantatr'zareo fa Anao rerika fogna ry Jehovah no le Avo Indrindra magnerana ny tany daôly.
Chapter 84

1Ho an'mpiventy hira atao am'fomba Gitita. Salamo nataon'reo zanaka lahin'kora. Endre ny hakanton'ny tôrana ze hitôranao, ry Jehovah tompon'maro! 2Magniry fatratra ny kianja'Jehovah za, efa nahaketraka anà zany fagniriko zany. ny foko sy ny momba anà daôly magnantso mafy an'Andriamanitra velona.3Na ny fody aza efa nahita fonenana ho an'azy, ary ny tsingirity nahita aka akana ho an'ny tegnany mba hametrahany ny zananay ankeo ankenkin'ny Alitaranao ry Jehovah tompon'maro, mpanjakako sy Andriamanitro.4 Sambatra zareo ze mipetraka akao an-dragnonao; ary hiderana An'nao fogna zareo. Sela5Sambatra ny ôla ze manan-kery akao Aminao, ze managna lalambe miakatra mankaigny Ziona akao ampony. 6Haita lôrano hosotrona zareo, aigny am-pamakivakina ny lohasahan-dRanomaso. Ny loha-orana handrako-pitahina an'zany. (fagnamariana: ny dikan-teny sasagny misy hoe; "misy dobon-drano")7Avy miha-matanjaka hampandrehanana zareo; ny isanisany amin'izy daôly de mibogna akeo agnatrehan'Andriamanitra aigny Ziona.8 Jehovah Andriamanitra tompon'maro ô! mitainô ny fivavako; sy Andriamanitrin'i Jakoba ô, tainô ze lazaiko! Sela 9Andriamanitra ô, embeso ny ampinganay; manehoa fiahiana ho an'vôhosotrao. 10Fa ny andro tokana akao an-kianjanao de lehibe mandombolombo ny arivo aigny an-kafa. Alaiko mpiambina varavaragn'tragnonan'Andriamanitro, toy zay mipetraka akao an-dain'ratsy fagnahy.11Fa Jehovah Andriamanitra no masoandro sy ampinga ho an'nay; hagnome fahasoavana sy vonihitra Jehovah; tsy hitana zava-tsoa am'reo ze mandeha am'fahitsina izy. 12Ry Jehovah tompon'maro ô, sambatra ny ôla ze matoky an'nao.
Chapter 85Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'reo zanaka lahin'kora.

1Jehovah ô, efa naneho sitraka tam'taninao Anao; efa naverignao nampodinao ny fahafalim-pon'Jakoba. 2Efa navelanao ny elokin'ny ôlonao; efa nirakofanao ny fahotan-jareo daôly. Sela3Efa nangalana ny fahasosenao daôly Anao; efa niala tam'fahasosenao mamay anao. 4Averegno zahay, ry Andriamanitra ny famonjena an'nay, ary ôka hiala aminay ny tsy fahafalenao. Ho sosy aminay mandrakizay ma Anao? 5Hijanona ho sosy magnerana reo taranaka mandimby ho avy ma Anao?6Tsy mba hamelona an'nay ndre ma Anao? De hifaly akao Aminao ny vahôkanao.7 Aboagno an'nay ny famin-dram-ponao, ry Jehovah, tanteraho am'nay ny famonjenao.8Hitaino ze lazain'Jehovah Andriamanitra za, fa izy hihavana amin'ny ôlony, sy reo mpagnara-de mahatokiny. Nefa tsy hiverigna am'lalan'fahadalana ndre zareo. 9Ny famonjeny tokô de akeo ankekin'ze matatra an'Azy; de hipetraka am'taninay ny voninatra.10Nihaogna ny fagnekena matoky sy faha-mendreham-pitokisana; efa nifagnoroka ny fahamarinana sy ny fiadanana. 11Miboiboika avy am'tany ny faha-mendreham-pitokisana, ary fahamarinana mitazagna avy aigny am'langitra.12Eny, Jehovah hagnome reo fitahiny soa, ary de hamolatra ny taninay. 13Ny fahamarinana hialô lalana an'azy, sady hagnano lalana ho an'ny deny.
Chapter 86

1Vavaka nataon'Davida. Mitainô, ry Jehovah, ary mamela anà, fa mahantra sy mijaly za. 2Arôvo za, fa tsy mpivadika; Andriamanitra ô, vonjeo ny mpanomponao ze mitoky aminao.3Mamindra fo aminà, Tompo ô, fa mitomagny mafy Aminao andro lava za.4 Ampifaleo ny mpanompoanao, fa Aminao no hivavahako Tompo ô.5Tsara, Anao, ry Tompo, ary vonona hamela heloka, ary mampibôgna famindram-po lehiba ho an'ze mitaraigna Aminao Anao. 6Jehovah ô, mitainô ny fivavako; mandregnesa ny feon'fangatahako. 7Amin'ny andro-mpahorena no agnantsovako An'nao, de hamaly anà Anao.8Tsisy na raika am'reo andriamanitra aza azo hampitovizina Aminao, ry Tompo. Tsisy asa ôtran'reo asanao. 9Ny firenena daôly ze efa namboarinao de ho tonga henkoka akeo agnatrehanao, ry Tompo. De hagnome voninatra ny agnaranao zareo.10Fa lehiba Anao ary magnano ra mahagaga; Anao rerika no Andriamanitra.11 Ampianaro anà reo lalanao, ry Jehovah. De hande am'fahamarinanao za. Ampiraiso ny foko mba hagnomezako fagnajana Aminao.12 Tompo Andriamanitra ô, hidera An'nao am'foo manontolo za; agnome voninatra ny agnaranao mandrakizay za.13Fa lehibe ny famindram-ponao aminà, efa namonjy ny aignako tam'halalign'fiaignan-tsihita Anao.14 Andriamanitra ô, efa nitsangana anotra anà ny mpirehareha. Ny andian'ôla mahery setra mifofo ny aignako. Tsy mba mihevitra an'nao mihintsy zareo.15Fa Anao, ry Tompo, Andriamanitra mpaminda fo sy miantra,mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana. 16Todeo za ary manàgna indra fo aminà, ameo ny herinao ny mpanomponao, vonjeo ny zanaka lahin'mpanompovavinao. 17Ampiboagno famantarana ny sitrakao za. Reo ze mankahala anà de haita an'zany ary megnatra satria Anao, ry Jehovah, efa nagnampy anà sy nampionona anà.
Chapter 87

1Salamo nataon'reo zanaka lahin'ny kora; tononkira. Aigny antampontanety masina no mitsangana ny tanàna ze naoriny; 2Teny Jehovah mandombolombo ny lain'Jakoba daôly ny vavahadin'Ziona. 3Ambara aminao ny ra mahagaga, ry tanànan'Andriamanitra. Sela4Tononiko am'reo mpagnara-de Anà i Rahaba sy Babylona. Ndreto ny Filistia sy Tiro ary ny Etiopia- ka hagnano hoe: "Teraka taigny le ty"5Ny am'Ziona de ho lazaina hoe: "Ny isanisany tamin-jareo de nateragny; ary ny avo indrindra mihintsy no hagnorina an'azy."6 Soratan'Jehovah akao am'bokina fagnisan'Firenena hoe: "Teraka taigny le ty." Sela7Ka reo mpihira sy mpandihy hiara-hitare hoe: "Akao aminao ny lôranoko daôly."
Chapter 88Tononkira, salamo nataon'zanaka lahin'kora; ho an'ny mpiventy hira; atao am'fomba Almahalath-leanoth. Maskila nataon'Hemana Ezrahita.

1Ry Jehovah, Andriamanitry ny famonjena anà hitomagny mafy akeo andro aman'alina za. 2Mitainô ny fivavako; tainô ny fitaraignako.3Fa feno fahorena za, fa natatra ny fiainan-tsy hita ny aignako. 4Ny ôla mihevitra anà ôtran'reo ze midigna akaigny an-davaka; leila tsy mba manan-kery za.5Nafoy takeo am'reo maty za; za de otran'maty mitsotra akao am-pasagna, ze tsy nirarahinao tsony ny momba an'azy reo satria nongotana tam'fahefanao. 6Anao mametraka anà aigny am'farany ampidika akao agnaty lavaka, aigny am'haizigna sy tôrana laligna.7Magnavesatra anà ny fahasosenao, ary lavo aketo aminà ny onjanao daôly. Sela8Noho Anao, de milefa anà reo ze ankeky anà. Efa nataonao ho manafintohina ny fijerin-jareo anà. Vô fandrika za ary tsy afaka hilefa.9Miha reraky ny fahorena ny masoko; hagnantso An'nao amin'ny andro lava daôly za, ry Jehovah, avelatro akeo Aminao ny tagnako. 10Hanano ra-mahagaga ho an'maty ma Anao? Ze efa maty ma hitsangana hidera Anao? Sela11Ho taravina akao am-pasagna ma ny famindram-ponao, ary ny fahitsinao akaigny am'fitôran'maty? 12Ho fantatra aigny am'haizigana ma ny asanao mahagaga, na ny fahamarinanao aigny am'tôrana fagnadinona?13Fa mitaraigna Aminao za, ry Jehovah ô; tonga akeo agnatrehanao ny fivavako nony ampôlakeka. 14Jehovah ô, nagnino za no lavinao? Nagnino no de asitrikao aminà ny tavanao?15Efa nampahorena fogna za ary saika tam'fahafatesana ny fahatanorako. Nampijalen'ny horohoronao za; de mivalovo.16 Efa nandalo takeo aminà ny asan'fahasosenao. Ary ny asanao mampihorohoronao efa nandringana anà.17Nandifotra anà ôtra ny rano andro lava zareo; efa nagnano didigna anà daôly zareo.18 Efa nalavirinao taminà ny sakaiza sy ny ankeky anà daôly ary ny famaizignana fogna no mba ankeky anà.
Chapter 89

1Maskilan'i Etana Ezraita. Hihira ho an'ny asam-pamindrampon'Jehovah mandrakizay za. Hagnamabara ny fahamarinanao am'taranaka ho avy za. 2Fa zaho efa nilaza hoe: "Efa nampitoerina mandrakizay ny famindram-po; efa nampitoerinao aigny an-dangitra ny faharinanao."3Efa nagnano fifanekena tam'le vô fidiko Za. efa nifanta tam'Davida mpanopoko Za.4 Hampitoetra mandrakizay ny tarakao Za, ary hampitoetra ny seza fiandriananao magnerana ny taranakao daôly Za." Sela5Midera reo fahagaganao ny langitra, ry Jehovah; deraina akao am'reo Fiangonan'reo masina ny fahamarinanao. 6Fa iza aigny an-dangitra no azo hampitovizina am'Jehovah? Iza tam'reo zanaka lahin'reo andriamanitra no mitovy am'Jehovah?7Izy de Andriamanitra namem-boninatra lehibe takao ampiangonan'reo masina ary mahagaga am'reo daôly magnodidigna an'Azy. 8Ry Johovah Andriamanaitra Tompon'maro ô, iza no mahery ôtra An'nao, ry Jehovah? Mandrakotra an'nao ny fahamarinanao.9Mifehy ny ranomasina misamboaravoara Anao; rafa magnonja izany, de ampitognenao. 10Notorotoronao ôtra ny ôla novonoina i Rahaba. Naparitakao atm'sandrinao mahery reo fahavalonao.11An'nao ny langitra, ary ny tany kô. Nahary zao tontolo zao sy ze daôly misy akao Anao.12 Namorona ny atsimo sy ny avatra Anao. Mifaly amin'ny agnaranao i Tabara sy Hermona.13Managna sandry matanjaka sy tagnana mafy Anao, ary agnambo ny tagnanao ankavanana. 14Fahamarinana sy fahintsina no fagnambanin'seza fiandriananao. Famindram-po sy fahamarinana no tonga akeo agnolônanao.15Sambatra ny ôla ze manompo An'nao! Jehovah ô, mandeha am'fahazavan'tavanao zareo. 16Mifaly amin'ny agnaranao mandrakariva zareo, ary am'fahamarinanao no hanandratany An'nao.17Anao no voninahitra ny herin-jareo, ary mpandresy am'fankasitrahanao zahay. 18Fa an'Jehovah ny ampinganay; ny mpanjakanay de an'le masin'Israely.19Taigny alô de niteny tam'le mahatokinao tagnaty fahitana Anao; ozy Anao hoe: "Efa nametraka satro-boninatra takeo am'le mahery Za; efa nanandratra vôfidy raika avy tam'vahôka za. 20Nisafidy an'Davida mpanompoko za; tam'menako masina no nagnosorako an'azy. 21Hanôgna an'azy ny tagnako; hampatanjaka an'azy ny sandriko.22 Tsisy fahavalo hamitaka an'azy; tsy hisy zanaky ny faharatsiana hampahory an'azy. 23Ho torotoroko akeo agnolônany reo fahavalony; vonoko ze mankahala an'azy.24Ny fahamarinako sy ny famindram-poko no homba an'azy; ho mpandresy amin'ny agnarako izy. 25Hapetrako akeo ambon'ranomasina n tagnany ary ny tagnany ankavanana akeo ambon'reo ogny.26 Hanantso Anà izy hoe: "Anao no Raiko, Andriamanitra ô, ary vatolampin'famonjena anà."27Zaho ihany kô hametraka an'azy ôtra ny zanako vôlôny, le ambony indrindra am'reo mpanjakan'tany. 28Hagnitatra ny famindram-poko amin'azy mandrakizay Za; ary ny fifagnekeko am'nazy de ho vô aro.29 Hampaharitra reo taranagny mandrakizay Za ary ny seza fiandrianany haharitra ôtran'ny habakabaka agnambo.30Raha mahafoy sy tsy mankatô ny lalàko ny zanagny, 31raha mandika ny fitsipiko ary tsy mitandrina reo didiko zareo, 32de hagnafay ny fikomiany am'kobay Za ary ny helogny am'kapôka.33Fa tsy hangala amin'azy ny fitiavako tsy mova Za na hivadika am'fampagnantenàko.34 Tsy handika ny fagnekeko Za hagnova ny tenin'molotro.35Efa nifanta tam'fahamasinako ndray mande tsy miverigna Za-tsy handainga am'Davida Za: 36reo taranagny de hitohy mandrakizay ary ny seza fiandrianany haharitra ôtra ny masoandro akeo agnolônako. 37Hitoetra mandrakizay ôtra ny volana zany, de le vavolom-belona aigny an-dagnitra." Sela38Nefa Anao tsy nagneky sy nandà; sosy tam'le mpanjakanao vôhosotra. 39Efa niala tam'fagneken'mpanomponao Anao. Efa nanimbazimba ny satroboninahiny tam'tany Anao. 40Efa narodanao reo rindrina daôly. Efa noravanao ny fiarovana mafiny.41Zay daôly nandalo de efa nandroba an'azy. 42Efa nanjary fitaovana mampaloiloy am'reo namany izy. Nanandratra ny tagnana ankavanan'reo fahavalony Anao; nampifalenao reo fahavalony daôly. 43Navadikao ny lelan-tsabany ka tsy nampijoro an'azy raha hiady.44Nifaragnanao ny famirapiratany; nampidigninao tam'tany ny seza fiandrianany.45 Nafohezinao ny andron'fahatanorany. Nirakofanao hegnatra izy. Sela46Hafirina, ry Jehovah? Hanitrika ny tegnanao mandrakizay ma Anao? Mandra-pahovena no hisafôka mafy fogna ny fahasosenao? 47Mba eritrereto ny androko fohika, sy maha-zava-pogna ny namosonanao ny zanak'ôlom-belona, daôly! 48Iza no afaka hiaigna ka tsy ho foaty, na hagnavotra ny aignany manokana aigny an-tagnan'fiaignam-tsihita? Sela49Tompo ô, aiza reo asam-pamindramponao talô ze nifantanao tam'Davida tam'fahamarinanao? 50tsarôvo Tompo, ny fagnesonao natao tam'reo mpanomponao ary fomba nizakàn'foko ny teny ratsy betsaka avy am'reo Firenena.51 Nikika teny ratsy reo fahavalonao, ry Jehovah; neson-jareo ny detongotr'le vôosotrao.52Ho deraina mandrakizay anie Jehovah. Amena de Amena. Boky faha efatra.
Chapter 90

1Vavak'Mosesy leilan'Andriamanitra. Tompo ô, Anao no efa fialofanay magnerana reo taranaka daôly. 2Talôn'namoronana ny tendrombohitra, ary Anao no nahary ny tany sy izao tontolo izao, rahatrizay ka ho mandrakizay, Anao no Andriamanitra.3Anao no namerigna ny vovoka ho ôla, ka ozy Anao hoe: "Miveregna, ianareo ry taranak'ôlombelona." 4Fa ny arivo taona ankeo amasonareo de ôtra ny nomaly daôly lasana, ary ny fotôna ôtra ny fiambesana amin'ny alina.5Fafanao sahala ny am'riaka zareo ka de natory; amin'ny ampôlakeka de ôtra ny ahitra mitsiry zareo. 6Amin'ny ampôlakeka de mamelana zany ka maniry; am'hariva de malazo zany ka maigna.7Marina tokô, fa levona am'fahasosenao zahay, ary am'fahaviniranao no mampangitakitaka an'nay. 8Efa nametraka ny helokay takeo agnolônanao Anao, reo fahotanay miafina takeo am'fahazavan'fanatrehanao.9Ny fiaignanay de dify akao ambany fahasosenao, ny fiaignanay de mandalo malaky ôtra ny sento. 10Fitopolo na valopolo taona izahay raha salama; kanefa nitaonanay tsara indrindra aza de tsy hialàm-pahorena sy alahelo. Eny, mandalo vetiketika zany, de magnembagna zahay.11Iza no mahafantatra ny hamafin'fahasosenao sy ny fahavigniranao ze mitovy am'fatahôrana An'nao? 12Ka ampenaro zahay mba handinika ny fiaignanay mba ahafahanay miaigna ampahendrena.13 Miveregna, ry Jehovah! Mandra-pahovena zao? Mamindra fo am'reo mpanomponao.14Ameo fahafaham-po am'famindram-ponao zahay amin'ny ampôlakeka mba hifalifalinay ka ho faly am'reo andronay daôly. 15Ampifalio zahay arakaraka reo andro nampahorenao an'nay sy reo taona ze niaignanay fahorena. 16Ôka reo mpanomponao hahita ny asanao, ary ôka reo zanakao hatazagna ny famirapiratanao.17Ny fitiavan'Tompo Andriamanitray, anie ho aminay; ambino ny asan'tagnanay; ambino tokô ma ny asan'tagnanay.
Chapter 91

1Izy ze mipetraka akeo ambany fialofan'le Avo Indrandra no hitoetra akeo amin'ny alok'le tsitoha. 2Izaho hilaza ny am'Jehovah hoe: "Izy no fialofako sy fiarovana mafy ho anà, Andriamanitro, ze hitokisako."3Fa Izy no hamonjy an'nao am'fandrikin'ny mpihaza sy ny amin'ny areti-mandoza mahafaty. 4Handrakotra an'nao amin'ny embagny, ary akao ambany embagny no hahitanao fialofana.5Tsy hatahotra ny horohoron'ny alina anao, na ny zanatsipika ze nitsireka amin'ny andro,6 na ny are-timandringana ze mirenireny am'maizigna, na ny aretina ze tonga am'anjirignandro. 7Arivo no mety ho lavo akeo agnilanao ary iray alina akeo am'tagnanao ankavanana, fa tsy mba hatakatra an'nao zany.8Fa andinika sy hizaha ny sazin'ratsy fagnahy fogna Anao. 9Fa Jehovah no fialofako! atôvo fialofanao ihany kô le Avo Indrindra.10Tsisy ratsy hahazo an'nao, tsy hisy fahorena hagnankeky fonenanao. 11Fa hitarika reo anjely Izy mba hiaro an'nao, hiambina an'nao am'ze lalanao daôly.12Hanandratra an'nao am'tagnany zareo mba tsy ho vôn'vato ny tongotrao. 13Hanorotoro reo liona anao sy reo menaragna ambany tongotrao hagnitsakitsaka reo liona tanora sy bibilava anao.14Satria efa nanolo-tegna ho Anà izy, de hamonjy an'azy Za. Hiaro an'azy Za satria tsy mivadika Aminà izy.15 Rafa magnantso Anà izy, de hamaly an'azy Za. homba an'azy Za am'fahorena; hagnome fandresena an'azy Za ary hagnome voninatra an'azy.16 Hagnome fahafaham-po an'azy am'fiaignanan lava Za ary hampiseho an'azy ny famonjeko.
Chapter 92

1Salamo, tonon-kira ho an'ny andro Sabata. Zava-tsoa no magnome fisaorana an'Jehovah sy ny mihira fideràna ho an'ny agnaranao, ry Avo Indrindra, 2mba hagnambaràna ny famindram-ponao nony ampôlakekaa sy ny fahamarinanao isak'alina,3 am'vale tory folo sy ny feon-kiran-dokanga.4Fa Anao, ry Jehovah, nampifaly anà tamin'ny alalan'reo asanao. Hihira fifalena ho Aninao za no ho reo asan'tagnanao. 5Endre ny haleben'reo asanao, ry Jehovah! Laligna tokoa ny fisainanao.6Tsy mahalala ny olon-kentrigna, na ny adala hahatakatra zao: 7Raha mitsiry ôtra ny ahitra ny ratsy fagnahy, ary na d miroborobo aza ny mpagnano ratsy daôly, de mbôla hifaragna akaigny am'fahapotehina mandrakizay.8Fa Anao, ry Jehovah, de hanjaka mandrakizay.9 Eny tokô, jereo reo fahavalonao, ry Jehovah! Eny tokô, jereo reo fahavalonao. Ho ringana zareo! Ary reo ze magnano ratsy daôly ho aparitaka.10Nanandratra ny tandroko ôtra ny tandrok'aombidia Anao; vôhosotra tam'menaka vaovao za.11 Efa nahita ny fahalavôn're fahavaloko ny masoko; efa naregny ny fara-andron'reo fahavaloko ratsy ny sofiko.12Ny marina de hamelana ôtra ny kakazondrafe hitombo ôtra ny sedera akaigny Libanona zany.13 Nambolena takao andragnon'Jehovah reo; ary mamelana akao am'reo kianjan'Andrialanitsika.14Hamô vô zareo na de efa antitra aza; ary hijanona ho vaovao sy maitso, 15mba hagnambarana fa mahitsy Jehovah. Izy no vatolampiko, ary tsisy tsy fahamarinana akao amin'Azy.
Chapter 93

1Manjaka Jehovah; mitafy voninahitra Izy; Jehovah nitafy sy misikina hery. Mafy orina zao tontolo zao; tsy afaka afindra zany. 2Mitoetra hatram'talô ny seza fiandriananao; tsy manampahataperana Anao.3Niakatra ny ranomasimbe, ry Jehovah ô; nanandratra ny feony zareo; mikapokapoka sy magneno ny onjandranomasina.4 Ambon'fianjeran'ny onja maro, le mpanapaka maherin'ranomasina, Jehovah akaigny ambony no mahery.5Reo didinao masina de tegna mendri-pitokisana; fahamasinana no mandravaka ny tragnonao mandrakizay ry Jehovah.
Chapter 94

1Ry Jehovah, Andriamanitra mamaly faty, Andriamanitra mamaly faty, mamirapiratra aminay. 2Mitsangàna ry mpitsaran'tany ameo ny mpirehareha ze mendrika an'azy reo.3Mandra-pahovena ny ratsy fagnahy, ry Jehovah, mandra-pahovena ny ratsy fagnahy no 4hiravoravo? Mamafy ny teny fiavognana zareo; ze daôly magnano ratsy de mieboebo daôly.5Nitorotoroin-jareo ny ôlonao, ry Jehovah; mpampahory ny firenena ze An'nao zareo.6 Mamono ny mpitondra tegna sy ny vahiny ze miaigna aigny am'fireneny zareo, ary mamono reo kamboty ray. 7Ozy zareo hoe: "tsy hahita Jehovah, ary le Andriamanitr'Jakoba tsy mahatsikaritra an'zany."8Mahatàkara, anareo ry ôla tsy misaigna! Anareo adala, rahovena anareo no mba hianatra? 9Izy ze nagnino ny sofigna hagnino Izy no tsy handregny? Izy ze nagnano ny maso, hagnino Izy tsy hahita?10Izy ze mifehy reo firenena, tsy hagnitsy ma izy? Izy le magnome fahalalana ny ôla.11 Jehovah no mahafantatra ny saignan'ôla, fa zava-pôgna zareo.12Sambatra ze ampianarinao, ry Jehovah ô, le ampianarinao ave am'lalànao. 13Namenao fitsaharana izy tam'fotôm-pahorena mandrapangady lavaka ho an'ratsy fagnahy.14Fa Jehovah, tsy hahafoy ny ôlony na handao ny lovany. 15Fa ho marina ndre ny fitsarany; ary ny mahintsy fo daôly hagnaraka an'zany.16 Iza no hitsangana hiaro anà am'reo mpagnano ratsy? Iza no hitsangana ho anà hanotra ny ratsy fagnahy?17Raha tsy Jehovah no fahanginana anà, de efa saiky nitsilagny taigny am'tôran'fahanginana za ôtran'zay. 18Raha nitare za hoe: "Mangozohozo ny tongotro," de nanôgna anà ny famindram-ponao, ry Jehovah. 19Raha betsaka ny ahiahiko, de mampifaly anà reo fampiononanao.20Afaka miaraka Aminao ma ny seza fiandrianan'faharavana, le mamorona ny tsy rariny amin'ny alalan'lalàna? 21Niara-nitetika zareo mba hifofoana ny aignan'marina ka magnameloka ho foaty ny tsy manan-tsigny.22Fa Jehovah no efa tilik'amboko ambo, ary vatolampy fialofako ny Andriamanitro.23 Hampitondra an'azy reo ihany ny helogny izy ary hamongotra an'azy reo am'faharatseny ihany. Hamono an'azy reo Jehovah Andriamanitra.
Chapter 95

1Ave, ôka atsika hihira ho an'Jehovah, ôka atsika hihira ampifalena ho an'le vatolampin'famonjena an-tsika. 2Ôka antsika hiditra am'fagnatrehany am'fisaorana; ôka atsika hihira ho an'Azy am'salamo fiderana. 3Fa Jehovah no Andriamanitra lehibe sy Mpanjaka alehibe ambonin'ny andriamanitra daôly.4Akeo an-tagnany ny fitôrana lalign'tany; an'Azy ny fitôrana ambon'tanety daôly. 5An'Azy ny ranomasina, fa Izy no nagnano an'zany, ary ny tagnany no mpahary ny tany maigna.6Ave, ôka atsika hanompo sy henkoka; ôka atsika hiandohalika akeo agnatrehan'Jehovah mpahary an'ntsika: 7Fa Izy no Andriamanitsika, ary ôlon'ny finanambilogny tagnany atsika. Gniany-enga, anie ka tainônao ny feony!8Aza magnamafy ny fonao, ôtra ny takao Meriba, na sahala ny nitsapana sy nagnandraman'reo razambenareo Anà,9 na de hitany aza reo asako.10Fa efapolo taona no sosy tam'zany taranaka zany Za ka niteny hoe: "Ty de vahôka managna fo mivily tsy nahafantatra ny lalako zareo. 11No zany de nivoady tam'kasosena Za mba tsy hiditra akao am'tôram-pitsaharako mihintsy izy regny."
Chapter 96

1Mihirà fihiram-baovao ho an'Jehovah, ry tany daôly.2 Mihirà ho an'Jehovah, misaora ny Agnarany, ambarao isan'andro isan'andro ny famonjeny.3Ambarao am'reo firenena ny voninahiny, ny asany mahagaga am'firenen-drehetra. 4Fa lehibe Jehovah ka tokony ho deraina indrindra. Tokony hatahôrana ambonin'ny andriamani-kafa daôly Izy.5Fa sampy daôly ny andriamanitry ny firenena daôly, fa Jehovah no nagnano ny langitra. 6Famirapiratana sy voninahitra no akeo am'fagnatrehany sy hatsarana no akao am'fitôrany masina.7Miderà an'Jehovah, anareo ry vahôka, miderà an'Jehovah, naho ny voninahiny sy ny heriny. 8Ameo ny voninahitra mendrika ny Agnarany Jehovah. Mitondrà fagnatitra ka tongava akao an-kianjany.9Menkofa akeo am'Jehovah am'fekanjo magnome voninatra ny fahamasinany. Mangovita akeo agnatrehany, ry tany daôly.10 Mitenena am'reo firenena hoe: "Manjaka Jehovah." Vôhorona ihany kô zao tontolo zao: tsy vôhozongozogna izany. Mitsara ara-drariny an'reo ôla Izy.11Ôka ho faly ny lagnitra, ary ôka hiravoravo ny tany; ôka hagneno ny ranomasina ary hikiaka am-pifalena ze mameno an'zany. 12Ôka hifaly reo raha sy ze daôly akao amin'azy. De ôka hikiaka ampifalena13 akeo agnatrehan'Jehovah reo hazo daôly aigny ag'ala satria tonga Izy. Tonga mba hitsara ny tany Izy. Hitsara zao tonotolo zao am'fahamarinana Izy ary reo ôla am'fahatokeny.
Chapter 97

1Manjaka Jehovah; ôka ny tany hifaly; ôka ny moron-tsiraka marobe ho ravo. 2Rôndro sy haizigna no magnodidigna an'azy fahamarinana sy rariny no fihorenan'seza fiandrianany.3Afo no mandalo akeo agnolônany ka mandevona reo mpifagnandrina amin'Azy am'lafiny daôly. 4Magnazava zao tontolo zao ny tselagny; mahita an'zan ny tany de mihorohoro. 5Mitsonika ôtra ny savoka akeo agnatrehan'Jehovah, le Tompon'tany manontolo, reo tendrombohitra.6Magnamabara ny fahitsiany reo habakabaka, ary mahita ny voninahiny reo firenen-drehetra.7 Ho megnatra ze daôly manompo sarin-dra vôtsikotra, de ze mirehareha am'sampy tsisy dikany-menkofa akeo am'nazy anareo ry andriamanitra daôly!8 Naregny Ziona ka de faly. Ary nifaly ny tanànan'Joda no ho reo didinao marina ry Jehovah.9Fa Anao, ry Jehovah, no avo indrindra ambonin'tany daôly. Asandratro avo indrindra ambon'reo andriamanitra daôly Anao. 10Anao ze te an'Jehovah, mankahalà ratsy! Miaro ny aignan'reo ôla masina Izy, ka mialoka an'azy reo tsy ho akeo an-tagnan'ratsy fagnahy.11 Nafafy tam'marina ny hazavana ary ny fifalena ho an'reo mahintsy fo.12Mifale akao am'Jehovah, anareo ôlo-marina; ary manolora fisaorana rafa matsaro ny fahamasinany anareo
Chapter 98

1Mihirà fihiram-baovao ho an'Jehovah, fa nagnano ra mahagaga Izy; nagnome fandresena an'Azy ny tagnany ankavanana sy ny sandriny masina. 2Nampahafantatra ny famonjeny Jehovah; nampiseo ampahibemaso ny fahitsiany tam'reo firenena daôly Izy.3Matsaro ny fahamarinany sy ny famindram-pony ho an'taranak'Israely Izy; hahita ny fandresen'Andriamanitra ny vazan-tany daôly. 4Mihobia an'i Jehovah, ry tany daôly; velomo ny hira; mihira fifalena, ka mihirà fiderana.5Mihirà fiderana ho an'Jehovah amin'harpa, am'vale sy ny hira mahafinaritra.6 Am'trompetra sy ny feon'ny anjomara, magnanaova hikampifalena akeo agnatrehan'le Mpanjaka, de Jehovah.7Ôka hiraondraogna ny ranomasina sy ze daôly akao amin'azy; izao tontolo zao sy ze daôly monina akao amin'azy! 8Ôka ny renirano hitefa-tagnana, ary ôka ny tanety hihika fifalena. 9Tonga hitsara ny tany Jehovah; hitsara zao tontolo zao am'fahamarinany izy ary reo firenena am'hitsiny.

Chapter 99

1Manjaka Jehovah; ôka hangovitra reo firenena maro. Mipetraka akeo am'seza fiandrianana akeo ambon'Kerobina Izy; mihorohoro ny tany. 2Lehibe akao Ziona Jehovah, asandratra ambon'reo firenena daôly Izy. 3Ôka izy regny hidera ny agnaranao lehibe sy mampatatra; Masina Izy.4Mahery ny mpanjaka, ary tia rariny Izy. Efa nampitoetra ny rariny Anao; fa nagnano fahamarinana sy fahitsina tam'Jakoba Anao.5 Derao Jehovah Andriamanitra ary tompoy akeo am'fitoeran-tongony Izy. Masina Izy.6Agnisan'reo mpisorogna i Mosesy sy Arona, ary Samoela agnisan'reo ze nivavaka tamin'Azy. Nivavaka tam'Jehovah zareo, ka de namaly an'azy reo Izy. 7Niteny tamin'azy tamin'ny alalan'ny andry rôndro Izy. Nitandrina ny didiny masina zareo sy ny lalàna ze efa nameny ho an'azy reo.8Namaly an'azy reo Anao ry Jehovah Andriamanitray. Andriamanitra mpamela heloka Anao tamin'azy, nefa le nagnasazy tam'fahotany. 9Miderà an'Jehovah Andriamanitsika ary manompo an'Azy akao am'havôna masina, fa Jehovah Andriamanitsika de Masina.

Proverbs

Chapter 1

1Reo ohabolagn'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely. 2Reto ohabolagna reto de natao mba hampianatra fahendrena sy toro-lalana, hampianatra an'reo tenin'ny fahalalana, 3hazaôna toro lalana mba hiaigna am'fagnanôvana ny marina, rariny, ary hitsiny.4Reto ohabolagna reto ihany kô de natao hagnome fahendrena ho an'ny kely saigna, ary hagnome fahalalana sy fahamalinana ho an'ny tanora. 5Ôka ny ôlon-kendry hihaino ka hampitombo ny fahalalany, ary ôka ny ôla mahay magnavaka hahazo tari-dalana, 6mba hahatakatra an'reo ohabolagna, reo ôtram-pitenenana, sy ny tenin'ny ôlon-kendry mbarak'reo ankamantany.7Ny fahatahôrana an'i Yaveh no fiandoham-pahalalana_ny adala magnamavo ny fahendrena sy ny fampianarana. 8Ry zanako, tandrigneso ny fampianarandrainao, ary aza miala am'fitsipiky ny reninao;9 ho fehilô tsara tarehy ho an'ny lônao regny ary rado mihantogna akeo am'tendanao.10Ny zanaka, raha mikasa haningotra an'nao ho am'fahotanjareo ny mpagnota, de aza magneky hagnaraka an'azy. 11Raha ozy zareo hoe: "Ave hiaraka amin'ny, andao tsika hikotrika hamono ôla, andao tsika hisitrika ka hamely ôla tsy manan-tsigny am'tsisy antony.12Andao hatelintsika velona regny, salan'ny fakan'ny Fiaignan-tsy hita reo ze salama, ary hagnano an'njareo ôtran'ze milatsaka an-davaka. 13Ho tazantsika reo karazan-dra sarobidy daôly; ho fenôntsika am'ze angalarintsika amin'ny hafa tragnontsika. 14Atsipazo miaraka minay ny filokànareo; hanagna pôketra raika tsika daôly."15Ry zanako, aza mande midigna am'zany lalana zany miaraka amin'jareo; aza avela hikasika ze handihanany ny tongotrao; 16mihazakazaka ho am'ratsy ny tongony ary maika handatsa-drà zareo.17 Fa tsisy varany ny hamilarana harato hamandrehana vorogna raha mitazagna le vorogna.18Mikotrika hamono ny tegnany ihany regny ôla regny_magnano vela-pandrika ho an'ny tegnany zareo. 19Ôtran'zany kô ny lalan'ny ôla daôly ze mahazo harena am'tsy rariny; ny harena azo am'tsy rariny mangaka ny aignan'reo ze mifikitra am'zany.20Mivazavaza an-dalana ny fahendrena, mampakapeo an-kalamanjagna izy, 21am'reo lô-lalana mikotaba no hitabatabany, am'fidirana akeo am'vavahadin'ny tanàna no hitinenany hoe: 22"Ho hatram'ovena, anareo ry ôla kely saigna, no hitè ny habadôna? Hatra'ovena, anareo ry mpandrabiraby, no hankamamy ny fandrabirabena, ary ho hatram'ovena, anareo ry adala, no hankahala ny fahalalana?23Tandremo tsara ny fagnanarako; hararako aminareo ny fihevitro hataoko fantatrareo ny teniko. 24Efa nagnantso za, ary nandà ny hitandregny anareo, nagninjitra ny tagnako za, kanefa tsisy niraharaha. 25Fa nodianareo fanina ny fampianarako daôly ary tsy notandrignesinareo ny fagnanarako.26Himeme ny lozanareo za, handatsa an'areo za rafa tonga ny horohoro_ 27rafa tonga salan'ny tafiotra ny fandringanana mampatatra ary mifaoka an'nareo salan'ny tadio ny loza, rafa tonga aminareo ny fahorena sy ny fangirifiréna.28De hagnantso anà zareo, fa tsy hamaly za, hagnantso anà fatratra zareo, fa tsy hahita anà. 29Satria mankahala fahalalana zareo ary tsy nifidy ny fahatahôrana an'i Yaveh, 30tsy nagnaraka ny fampianarako zareo, ary nagnamavo ny fagnanarako daôly.31Hihinana ny vokany ny lalany zareo, ary ny vokatry ny teti-dratsinjareo no hameno an'azy. 32Fa vôvono ny kely saigna rafa mivily, ary hamotika an'azy ny tsy fagnaôn'ny adala.33 Fa na iza na iza mitandregny anà de hiaigna am-pilaminana ary ho vôaro tsy hatàtra loza."
Chapter 2

1Ny zanako, raha mandray ny teniko anao ary raiketinao akao aminao reo didiko, 2de ôka ny sofignao hitandrina tsara ny fahendrena ary atongilagno ho am'fahazavan-tsaigna ny fonao.3Raha mihiakiaka ho am'fahazavan-tsaigna anao ary mampiaka-peo ho am'zany, 4raha mikaraka an'zany salan'ny hikarahanao volafotsy anao ary mikaraka ny fahazavan-tsaigna salan'ny fikarahana harena miafina, 5de ho fantatrao ny tàtra an'i Yaveh ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.6Fa maagnome fahendrena i Yaveh, ary am'vavany no hiaven'ny fahalalana sy fahazavan-tsaigna. 7Mitahiry ny fahendrena tsara ho an'reo ze ankasitrahany Izy, Izy no ampingan'reo ze mande am'fahitsiana,8 miambina reo lalan'ny rariny Izy ary hiaro ny lalan'reo ze mahatoky an'Azy.9De ho tsapanao ny fahamarinana, ny rariny, sy ny hitsiny, ary ny lalana tsara daôly.10 Fa hiditra akao am-ponao ny fahendrena, ary hahafinaritra ny fagnanao ny fahalalana.11Hiaro an'nao ny fahamalinana, ary hiambina an'nao ny fahazavan-tsaigna.12 Hagnavotra an'nao am'lala-dratsy reo, am'reo ze mitare ra-ratsy, 13ze miala an'reo lalan'ny fahamarinana ary mande am'lalan'ny fahamaizignana.14Mifaly zareo rafa magnano ratsy ary finaritra am'fahavetavetan'ny ratsy.15 Magnaraka lala-maloka zareo, ary nampiasa ny fitaka hagnafenana ny lalany.16Fahendrena ary fahamalinana no hanavotra an'nao am'veivavy malanga, am'veivavy ratsy fitondrategna sy ny teniny mandoka. 17Mahafoy sy sakaizan'ny fahatanorany izy ary magnadino ny fagnikeny tamin'Andriamaniny.18Fa ny tragnony mitarika am'fahafatesana ary reo lalany hitondra an'nao ho am'reo ze aigny am-pasagna. 19Ze daôly miditra akao aminazy de tsy hiverigna ntsony ary tsy hahita ny lalan'ny fiaignana zareo.20De hande am'lalan'ny ôla tsara anao ary hagnaraka reo lalan'ny ôla marina. 21Fa reo magnano ny marina no hagnano fonenana akeo am'tany, ary reo tsy mivadika no hipetraka akao am'zany. 22Fa ny ratsy fagna hofongorina akeo am'tany, ary ny tsy manam-pinòna hofongorina akeo am'zany.
Chapter 3

1Ry zanako, aza magnadino ny didiko ary tano akao am-ponao ny fampianarako, 2fa andro lava sy taona maro hiaignana ary fiadanana no hagnampen'reo an'nao.3Aza avela hiala an'nao ny tsy fivadem-pagnikena sy ny fahamendreham-pitokisana, hampifamatoro akeo am'vozonao reo, ary raiketo akao am'vato fisaky ny fonao. 4De hahita fitia sy ho tsara laza akeo amason'Andriamanitra sy ny ôla anao.5Matoké an'i Yaveh am'fonao iray manontolo ary aza miankina am'fahalalanao fôgna; 6magnike an'Azy am'lalanao daôly ary Izy no hampahitsy ny lalanao.7Aza hendry akeo amasonao fôgna; fa matahôra an'i Yaveh ka hialao ny ratsy. 8Ho fagnasitragnana ho an'ny nofonao ary famelombelomana ho an'ny vatagnao zany.9Magnajà an'i Yaveh amin'ny harena sy ny vôlôm-bokatry ny vokatrao daôly, 10de ho feno ny tragno fiterizam-bokatra ary ho feno hipoka ny fitôram-bolobokao, feno divay vaovao.11Ry zanako, aza magnamavo ny fampianaran'i Yaveh ary aza mankahala ny fibedesany, 12fa reo ze tèny no faizin'i Yaveh, salan'ny ataon'ny ray amin'ny zanagny ze ankasitrahany.13Sambatra ze mahita fahendrena; fa mahazo fahazavan-tsaigna ihany kô izy.14 Tsara mandombolombo an'ze amen'ny volafotsy ny azonao avy am'fahendrena ary ny tombony de tsara mandombolombo sy volamena.15Sarobidy mandombolombo ny firavaka ny fahendrena ary tsisy azonao ampitahaina aminazy ze mety ho irinao. 16Andro lava no akao an-tagnany an-kavanana; ary harena sy voninatra no eo an-tanany an-kave.17Lalan'ny fahalemem-pagna ny lalany ary fiadanana daôly ny lalany iray manontolo. 18Izy no hazon'aigna ho an'reo ze mitàna an'zany, sambatra reo ze mifikitra am'zany.19Tam'fahendrena no nagnorenan'i Yaveh ny tany, tam'fahazavan-tsaigna no nampetrahany ny lagnitra. 20Tam'fahalalany no nitriaran'ny laligna ary nandatsaka ny andony ny rôndro.21Ry zanako, tano ny fitsarana sy fahaiza-magnavaka marina, ary aza alàna am'masonao zany. 22Ho aigna ho an'ny fagnanao regny ary ravaky ny fankasitrahana hagnanôvana magnodidigna ny tendanao.23De hande am'lalanao am-pilaminana anao ary tsy ho tafitòna ny tongotrao;24 rafa mandry anao, de tsy hatàtra; rafa mandry anao, de ho mamy ny torimasonao.25Aza matàtra ny horohoro avy tampoka na ny fandravana ataon'ny ratsy fagna, ra tonga zany, 26fa Yaveh no ho akeo agnilanao ary hiaro ny tongotrao tsy ho vôn'ny fandrika.27Aza mamihina ny soa am'reo ze mendrika an'zany, raha ao amin'ny herinao ihany ny hiasa. 28Aza mitare am'namanao hoe: "Mandiana, ka tongava ndre, ary amaraigna no hagnomezako an'zany," raha hanagnanao aminao ihany le vola.29Aza magnano tetika hagnisy ratsy ny namanao_ de le mipetraka akeo ankekinao ary matoky an'nao. 30Aza mifandritra amin'ôla am'tsisy dikany raha tsy nagnisy ratsy an'nao izy.31Aza mialona ny ôla maherisetra na misafidy ze lalany. 32Fa maharikoriko an'i Yaveh ny ôla maniasia, fa hampitokiany aminazy kosa ny ôla mahitsy fo.33Akeo am'tragnon'ny ratsy fagna ny fagnozognan'i Yaveh, fa mitaha ny fonenan'ny ôla marina hosa Izy. 34Mandatsa ny mpandrabiraby Izy, fa magnome sitraka ho an'ny ôla magnetry tegna.35Ny ôlon-kendry mandova voninahitra, fa ny adala kosa de hisandratra am'fahamegnarany.
Chapter 4

1Mitandrignesa, ny fampianaran'ny ray, ry zanako, ary mitandrema mba hahafantaranareo ny atao hoe fahazavan-tsaigna. 2Magnome fampianarana tsara ho an'nao za; aza mahafoy ny fampianarako.3Tam'mbôla naha-zanaky ny raiko anà, le mora fagna ary zanaka tokan'ny reniko, 4de nampianatra anà izy ary nitare taminà hoe: "Ôka ny fonao hitàna mafy an'reo teniko; tandrovo reo didiko de ho velona anareo.5Mazahoa fahendrena sy fahazavan-tsaigna; aza magnadino ary aza mandà reo tenin'ny vavako; 6aza afoy ny fahendrena ary hiambina an'nareo izy; tiavo izy de hiaro an'nareo.7Ny fahendrena no tegna zava-deibe, ka mazahoa fahendrena ary lanio ze hanagnanareo daôly mba hahazahônareo fahazavan-tsaigna. 8Ôka holalainao ny fahendrena de hanandratra an'nareo izy; hagnaja an'nareo izy raha mamihina an'azy anareo. 9Hametraka fehilôm-pagnajana akeo agnambon'ny lônareo izy; ary hagnome an'nareo satro-boninahitra tsara tarehy."10Mitandrignesa, ry zanako, ary tandremo ny teniko, de hanagna taona maro hiaignana anao. 11Hagnatoro lalana an'nao am'lalam-pahendrena za, ary hitarika an'nao ho am'reo lalana mahintsy za.12 Rafa mande anao, de tsy hisy ôla hitsangana am'lalanao ary raha mihazakazaka anao; de tsy ho tafitohina.13Tano reo toro-lalana, aza avela hande; tano, fa fiaignanao zany. 14Aza magnaraka ny lalan'ny ratsy fagna ary aza mande magnaraka ny lalan'reo ze magnano ratsy. 15Lifaso zany, ary aza mande am'zany; mialà am'zany ary mandihàna am'lalan-kafa.16Fa tsy afa-mandry zareo mandrapagnanôvany ratsy ary very torimaso zareo mandra-panafitohinany ôla. 17Fa zareo de mihinana ny mofon'ny faharatsena ary misotro ny divain'ny herisetra.18Fa ny lalan'ny ôlo-masina de ôtran'ny hazavana vôlôny ze mahamazava; mamirapiratra zany mandra-piaven'ny mazava. 19Ny lalan'ny ratsy fagna de ôtran'ny aizigna_ tsy fantatr'zareo ze manafintona an'jareo.20Ry zanako, tandremo ny teniko; atongilagno am'teniko ny sofinao. 21Aza avela hiala am'masonao reo; tano akao am-ponao zany.22Fa ny teniko de aigna ho an'reo ze mahazo an'azy ary fahasalamana ho an'ny vatagn'zareo iray manontolo. 23Arôvo ny fonao ary ambeso am'fitandremana daôly zany, fa avy am'zany no hikorignan'ny lôranon'aigna.24Alao akeo aminao ny teny mivilambilagna ary ny teny marary lavitra an'nao.25 Ôka ny masonao hitazagna maintsy sy hibanjina mahitsy ny akeo agnolônanao.26Magnamboara lalana mahitsy ho an'ny tongotrao; de hilamina ny lalanao daôly. 27Aza mivily ho amin'ny ankave na ankavanana; alaviro am'retsy ny tongotrao.
Chapter 5

1Ry zanako, tandremo ny fahendreko; atongilagno am'fahazavan-tsaigna ny sofignao,2 mba hiatra momba ny fahamalinana anao ary hiaro fahalalana ny molotrao.3Fa ny molotry ny veivavy malanga mitete tintely ary ny vavany de malama mandombolombo ny menaka, 4nefa aigny am-parany de hangidy salan'ny kakazo mahafaty izy, manapaka salan'ny sabatra maragnitra.5Midigna makaigny am'fahafatesana ny tongony, ary ny dény de mizotra ho aigny am'fiaignan-tsy hita. 6Tsy mihevitra ny lalan'ny fiaignany izy. Mivendrivendry ny dén-tongony; ary tsy fantany ze andihanany.7Am'zao fotôna zao, ry zanako, mitandrignesa Anà, aza miala am'fitandrignesana ny tenin'ny vavako. 8Alaviro an'azy ny lalanao ary aza magnankeky ny varavaragn'ny tragnony.9Am'zany de tsy hagnome ny voninahitrao ho an'ny hafa anao na ny taonanao ho an'ny ôlon-dozabe; 10tsy hifety amin'ny harenanao reo vahiny, ary ze efa niasanao de tsy ho tonga akao an-dragnon'reo vahiny.11Am'faran'ny androm-piaignanao de hisento anao rafa hihaosa ny nofinao sy ny vatagnao. 12Hitare anao hoe: "Zao ny fankahalako ny fampianarana sy fagnanôvan'ny foko tsinotsinona ny fagnitsina!13Tsy nankatò an'reo mpampianatro za ary nanongilagna ny sofiko tam'reo mpagnanatra anà. 14Efa rava tanteraka za teo ampovôn'ny fiangonana, teo am'fivoren'ny ôla."15Misotroa rano avy akao am'famoren-dranonao ary misotroa rano mikorigna avy akao am'lava-dranonao.16 Tokony hiboiboika na aiza na aiza ma ny lôranonao ary hikorigna ankalamanjagna ny lôranonao? 17Ôka ho an'nao rerika fôgna regny fa tsy ho an'reo vahiny miaraka aminao.18Ho vôtaha ane ny lôranonao ary ôka hifaly am'vadin'ny fahatanoranao anao, 19fa diera maha-te ho tia izy ary osidia soa. Ôka hahafa-po an'nao am'fotôna daôly ny nonony; ôka ho mamin'ny fitiavany mandrakariva ane anao.20Fa nagnino anao, ry zanako, no tokony ho babon'ny veivavy malanga, nagnino anao no tokony hamihina ny tratran'reo veivavy ratsy fitondrantegna? 21Mahita ny ra ataon'ny ôla daôly i Yaveh ary mitazagna ny lalana andihanany daôly.22Ny ôla ratsy fagna de azon'ny fahamelôny fôgna, reo kofehin'ny fahotany no hamatotra an'azy mafy. 23Hofoaty noho ny tsy fahampen'ny fampianarana izy; vôtarika aigny am'lalan-diso noho ny haben'ny fahadalany izy.
Chapter 6

1Ry zanako, raha manokana ny volanao ho am'findraman'ny namanao anao, raha nampagnantegna fampindramam-bola ho an'ny ôla tsy fantatrao anao, 2de efa nametraka fandrika ho an'ny tegnanao tam'fampagnantignanao anao, ary efa vôsingotry ny teny navôkan'ny vavanao.3Raha vôsingotry ny teninao anao, ry zanako, de ataovo zao ka vonjeo ny tegnanao, satria efa lavo takao an-tagnan'ny namanao anao; mandihana ka magnetre-tegna ary miangave akeo agnatrehan'ny namanao.4Aza avela hoandry ny masonao ary aza avela rendremana ny hodi-masonao. 5Vonjeo ny tegnanao salan'ny gazela an-tagnan'ny mpihaza, salan'ny vorogna akeo an-tagnan'ny mpamandri-borogna.6Zahao ny vitsika, ry ôlo-malaina, diniho ny ataony ka hendre. 7Tsy managna komandy, na mpifehy, na mpanapaka izy,8 kanefa mamory ny hehaniny am'fahavaratra ary mandritra ny fiakaram'bokatra no hitarizany ze hohaniny.9Hatramin'ny ovena no hatorenao, ry ôlo-malaigna? Ovena no hifohazanao am'torimasonao? 10"Toromaso kely, faharendreana kely, famoretan-tagnana kely mba hialana reraka"_ 11ary de ho avy salan'ny mpangalatra ny fahantranao ka ny filànao salan'ny miaramila mirongo fedina.12Ny ôlom-pôgna _ ny ôla ratsy fagna_ de miaigna am'fahamelohan'ny teniny,13 mipi-maso, magnano famantarana am'tongony ary manondro ma'reo rantsa-tagnany.14Magnano teti-dratsy sy fitaka akao am-pony izy; magnetsika fifamalena mandrakariva izy. 15Noho izany de hahatakatra an'azy tampoka ny lozany; akao agnatin'ny fotôna foika de ho potika lavitra ny fagnasitragnana izy.16Misy ra enina halan'i Yaveh, fito ze maharikoriko an'Azy.17Ny mason'ny ôla mpirehareha, ny lela mpandainga, ny tagnana mpandatsa-dràn'ny ôla tsy manan-tsigny, 18ny fo mamorona sain-dratsy, ny tongotra ze mailaka am'fihazakazahana hagnano ratsy, 19ny vavolombelona ze mamôka lainga ary mamfy fifamalena akeo am'rahalàny.20Ry zanako, ankatoavo ny didin-drainao ary aza mahaafoy ny fagnanaran-dreninao. 21Fatoro akao am-ponao mandrakariva reo; fatoro akeo amin'ny am-bozognao-reo.22Raha mande anao, de hitari-dalana an'nao ireo; raha mandry anao, de hiambina an'nao reo; ary raha mifô anao, de hampianatra an'nao reo. 23Fa fanilo ny didy, ary fahazavana ny fampianarana; reo anatra ze avy am'fampianarana no lalan'ny fiaignana.24Miaro an'nao am'veivavy ratsy fitondran-tegna zany, am'teny malefaky ny veivavy ratsy fitondran-tegna. 25Ôka ny fonao tsy hitsiriritra ny hatsarany ary aza avela hambabo an'nao am'volomasony izy.26Ny fiaraha-mandry amin'ny ôla malanga de samdainao am'sombi-mofo, fa ny vadin'ny hafa de sandainao amin'ny aignanao mihitsy.27 Misy ôla afaka mitondra afo akeo an-tratrany ma ka tsy mandoro ny akanjony?28Misy ôla mahakitsaka vaink'afo mahamay mma ka tsy hitsovaka ny tongony? 29Ôtran'zany kô ny leilà miara-mandry am'vadin'ny namany, ze miara-mandry aminazy de tsy ho afa-maigna.30Tsy hagnamavo ny mpangalatra ny ôla raha mangalatra mba hahafa-po ny filàny rafa nôna izy. 31Fa raha takatra kosa izy, de hagnonitra impito heny ze nangalariny; tsy maintsy mamoy ny ra sarobidy daôly akao an-dragnony izy.32Ze ôla malanga de tsisy saigna; ze magnano an'zany de mandràtra ny tegnany.33 Ratra sy hegnatra no mendrika an'azy ary tsy ho vôfafa ny fahafaham-barakany.34Fa ny fahasarotam-piaro no mahasosy ny leilà; tsy hampitranga famindram-po izy rafa mamaly faty. 35Tsy hagneky onitra izy ary tsy ho vôtamby, na de amenao fagnomezana maro aza.
Chapter 7

1Ry zanako, tandremo ny teniko raiketo akao agnatinao reo didiko. 2Tandremo ny didiko mba ho velona anao ary tandremo ôtran'ny anakandriamasonao ny fampianarako. 3Fatoro akeo am'reo rantsan-tagnanao regny; sorato akeo am'vato fisaky ny fonao regny.4Lazao ny fahendrena hoe: "Anabaviko anao," ary antsovo hoe havanao ankeky ny fahazavan-tsaigna, 5mba hitandremanao ny tegnanao am'veivavy malanga, am'veivavy ratsy fitondran-tegna miaraka am'teniny malama.6Takeo am'varavarankelin'ny tragnoko de nitazagna taigny avelagny avy takeo am'makarakara za. 7Nitazagna an'reo ôla kely saigna za, ary vômariko tam'reo tanora ny zatovo raika ze tsy nisy saigna.8Nandalo takeo amin'ny arabe ankekin'ny kihon-dalany izany gaogna zany; ary nizotra nankaigny an-dragnony. 9Somambisamby tam'zany, tamin'ny andro hariva, sy tam'fotônan'ny alina sy ny aizigna.10Nisy veivavy nitseza azy, niakanjo salan'ny mpivaro-tegna, ze fetsy am-po. 11Sady bevava izy no maditra; tsy manangana an-dragno ny tongony. 12Vetiketika aigny an-dalam-be, avy akeo aigny an-tsena, ary aigny an-joron-tragno-daôly aigny izy no mandigny mamitsaka.13Ka de misavika an'azy izy ka nagnoroka an'azy, am'tarehy nisolantsolana no nilazany taminazy hoe: 14"Nagnano fagnati-pihavanana za nigniany, nagnefa an'reo voadiko za, 15ka de nivôka hitseza an'nao za, mba tegna hikaraka ny tavanao, ary de nahita an'nao za.16Efa namelatra lamba firakotra, rongony fotsy miloko avy taigny Egypta, takao am'fandrenako za. 17Efa nandrarahako miora, sy havozo, ary kanelina ny fandrenako. 18Ave, andao tsika hivoky fitè hatramin'ny ampolakeka; andao tsika hiaka fahafinaretana am'fitiavana.19Fa tsy akao an-dragnony ny vadiko; lasana nande nivahiny alavitra izy. 20Nitondra kitapom-bola niaraka taminazy izy; hiverigna izy am'fotônan'ny fenomanana." 21Tam'resa-be no nitômany an'azy; tamin'ny halaman'ny molony no namitahany an'azy.22Nande nagaraka an'azy avy tafara tampoka salan'ny aomby ndesina hovonòna, salan'ny diera vôsambotra agnaty fandrika izy, 23mandrapitsatoky ny zana-tsipika akeo amin'ny atiny. Salan'ny vorogna ze mitsoreka ho akao amina fandrika. Tsy fantany fa hahafaty an'azy zany.24Ka mitandrignesa anà anareo, ry zanako lahy; tandremo reo tenin'ny vavako. 25Ôka ty hivily am'reo lalany anie ny fonareo; aza mivily am'reo lalan-disony.26Nahalavo ôla vôtrobaka maro izy; maro de maro reo niharan'ny fahafatesana azony.27 Aigny am'lalana mankaigny am'fiaignan-tsy hita ny tragnony; midigna mankaigny amin'ny efitragno fandrena maizign'ny fahafatesana zareo.
Chapter 8

1Tsy magnantso mafy ma ny fahendrena? Tsy manandrapeo ma ny Fahazavan-tsaigna?2 Eo am'reo tampon-kavôgna ankekin'ny lalana, akao am'reo sampagnan-dalana, no hitsanganan'ny fahendrena. 3Akeo agnolônan'reo vavahady akao am'fidirana mankaigny an-tanàna, akeo am'fidirana mankao an-tanàna, no hagnantso.4"Anareo, ry vahôka, no antsoviko; ny feoko de ho an'reo zanak'olombelona. 5Anareo ze bado, mianara fahendrena; ary anareo ze adala, manàgna fahazavan-tsaigna anareo.6Tandrigneso, satria miresaka reo ra mendri-kaja za, ary rafa misokatra ny molotro de hilaza ra marina za. 7Fa ny vavako milaza ze mendri-pitokisana, ary ny faharatsena mamparikoriko ny molotro.8Ny tenin'ny vavaka daôly de marina; tsy nisy miolakolaka na fitaka am'reo. 9Mahitsy ho an'ny ôla ze mahatakatra an'azy ireo; ireo teniko de marina ho an'reo ze mahita fahalalana.10Mandraisa ny fampianarako fa tsy ny volafotsy; mandraisa fahalalana fa tsy ny volamena mifangaro. 11Fa tsara mandombolombo ny firavaka ny Fahendrena; tsisy harena mitovy aminazy.12Za, fahendrena, de miara-mipetraka am'fitandremana, ary managna fahalalana sy fahamalinana. 13Ny tàtra an'i Yaveh de mba hankahalana ny ratsy. Halako ny fieboeboana sy fiavognavognavonana, ny fomba ratsy, sy ny teny ratsy. Halako reo.14Managna torohevitra tsara sy fahendrena marina za; lalin-tsaigna za; anà ny hery.15 Amin'ny alalako no anjakan'reo mpanjaka-reo leilà manan-kaja ihany kô, sy ny daôly ze mifehy am'fahamarinana. 16Amin'ny alalako no anapahan'reo andrendahy, reo manan-kaja, sy ny daôly ze mifehy am'fahamarinana.17Téko ze té anà, ary reo ze tegna mikaraka anà, de hahita anà. 18Akao aminà ny harena sy voninahitra, harena maharitra ary fahamarinana.19Ny vokatro de tsara mandombolombo ny volamena, eny na ny volamena tegna tsara aza; tsara mandombolombo ny volafotsy madio ny vokatro. 20Mande am'lalan'ny fahamarinana, ampovôn'ny lalan'reo marina za. 21Vokatr'zany, de ataoko mandova harena reo ze té anà; finôko ny fitahirizan-drakitr'zareo.22Nahary anà i Yaveh tam'fiandohana, ny asany vôlôny tam'zany. 23Talô ela be de ary zà_ hatraigny am-bôlôny, hatraigny am'fiandohan'ny tany.24Talôn'ny nisian'ny ranomasina, de teraka za_ talôn'ny nahatondraka rano an'reo lôrano.25 Talôn'ny namitrahana an'reo tanety ary talôn'reo havôgna, de teraka za.26Efa teraka za talôn'ny naharian'Andriamanitra ny tany na ny saha, eny fa na de ny jofo vôlôny tam'zao tontolo zao aza. 27Efa teo za tam'nametraka ny lagnitra Izy, tamin'Izy nanoritra boribory taigny am'faritry ny laligna.28Efa teo za tamin'Izy nametraka ny rôndro agnambo ary tam'namboarina reo lôrano taigny am'laligna. 29Efa teo za tamin'Izy namaritra ny fetran'ny ranomasina, ka de tsy nihôtra ny fandideny reo rano, ary tam'namaritana ny fanorenana ny tany maigna.30Mpagnano asa tagnana tegna mahay takeo agnilanao za; za no fifaleny isan'andro isan'andro, mifaly mandrakariva tagnolônany za. 31Nifaly tao am'tontolony daôly za, ary ny fifaleko de tao am'reo zanak'olombelona.32Am'zao fotôna zao; ry zanako, mitandrignesa anà, fa reo ze mitandrina reo lalako de ho vôtaha. 33Mitandrignesa ny fampianarako ka hendre; aza magnano tsinotsino an'zany. 34Ze mitandregny anà de ho vôtaha. Hiambina isan'andro akeo am-baravarako izy, mandigny ankekin'reo tsangatsangan'reo varavarako.35Fa na iza na iza mahita anà, de mahita fiaignana, ary hahita sitraka amin'Andriamanitra izy. 36Fa izy ze tsy mahita, de mandratra ny aignany ihany; reo daôly ze mankahala anà de té fahafatesana."
Chapter 9

1Nagnambôtra ny tragnony manokana ny fahendrena; nagnano asa sokitra andro fito avy tam'vatolampy izy. 2Namono an'reo bibiny izy; nampifangaro ny divainy izy; ary nametraka ny latabany.3Nagniraka an'reo mpiasa an-dragnony izy; nagnantso taigny am'reo tôrana agnambo ben'ny tanàna izy hoe: 4"Iza no bado? Ôka izy hagnatogna aty!" Ho an'ze tsy ampy saigna tsara no nitinenany.5"Ave, hohano ny hahaniko, ary sotrò ny divay nafangaroko. 6Lôso-reo fihetsikao bado ary miveloma; mandiana am'lalan'ny fahazavan-tsaigna.7Na iza na iza magnanatra ny mpaniratsira de handray fagnararaotana; ary na iza na iza hitare mafy ny ratsy fagna de handray an'reo faniratsiràna. 8Aza magnanatra ny mpaniratsira, raha tsy zany de ho halany anao; 9anaro ny ôlon-kendry, de ho tèny anao. Magnomeza ny ôlan-kendry, de hanjary hitombo ho hendry izy; ampianaro ny ôlo-marina, de hagnampy ny fianarany izy.10Ny fahatahôrana an'i Yaveh no fiandoham-pahendrena, ary ny fahalalana an'Le Masina no fahazavan-tsaigna. 11Fa amin'ny alalako no hampitombo ny andronao; ary hagnampeko taona maro ny fiaignanao.12 Raha hendry anao, de hendry ho an'ny tegnanao ihany, ary raha maniratsira anao, de hitondra an'zany am'tegnanao ihany."13Ny veivavin'ny adalàna de tsy mahalala, tsy nobeazina izy ary tsy mahafantatra na ino na ino. 14Mipetraka akeo am-baravaragn'ny tragnony izy; akeo am'seza am'tôrana agnambo be am'tanàna.15 Magnantso reo ze mandalo am'reo lalana izy, amin'ny ôla ze mande mahitsy am'lalanjareo.16"Na iza na iza bado ôka izy hiverigna aketo ndre," ozy izy am'reo ze tsisy saigna.17 "Mamy ny rano nangalarina, ary matsiro ny mofon'ny tsiambaratelo." 18Fa tsy fantany fa aigny ny maty, fa reo vahiny nasainy de aigny amin'ny halalin'ny Fiainan-tsy hita.
Chapter 10

1Ohabolagn'i Solomona. Ny zanaka handry mahafaly ny rainy fa ny zanaka adala mampitondra alahelo ny reniny. 2Ny harena nangonina tamin'ny faharatsina de tsy manandanja fa ny fagnanôvana ny marina no miaro an'nao am'ny fahafatesana. 3Tsy avelan'i Yaveh ho nôna ny fagnahin'ny ôlo-marina, fa magnafôgna an'reo fagniren'ny ratsy fagnahy Izy.4Ny tagnana kamo no antony mampahantra ny ôla, fa ny tagnan'ny ôla mazoto mahazo harena. 5Ny zanaka hendry magnangona vokatra am'ny fahavarata, fa mahamegnatra an'azy ny matory mandritra ny fampakarambokatra.6Ireo fagnomezana avy amin'Andriamanitra de akeo am'lôn'ny ôla-marina, fa ny vavan'ny ratsy fagnahy de magnanno herisetra. 7Ny ôlo-marina mampifaly an'reo ze mahatsiaro an'azy, fa ny agnaran'ny ratsy fagnahy de ho potika.8Ireo ze hendry magneky ny didy, fa ny adala mahay vava de ho rava. 9Ze mande amin'ny fahamarinana de mande ampelaminana, fa ze magnano ny lalany ho meloka, de hiarihary izy.10Ze mipi-maso de ahatonga alahelo, fa ny adala be resaka de ho lavo. [Fagnamarihana: Ireo dikanteny tato afara de misy hoe: Fa ny raika ze magnitsy amin'ny herim-po no mampihavana.] 11Ny vavan'ny ôla-marina de lôharanonaigna, fa ny vavan'ny ratsy fagnahy de mitondra herisetra.12Ny fankahalana de mahatonga ady, fa ny fitiavana de manarogna ny fahadisoana daôly. 13Amin'ny molotry ny ôla manantsaigna ny fahedrena, fa tsoraka kakazo no amin'ny lamosin'ny tsisy saigny.14Ny ôla hendry de mitahiry fahalalana, fa ny vavan'ny adala de mitondra faharavana. 15Ny harenan'ny ôla manankarena de ôtran'ny tanàna mafy orina; ny fahantran'ny mahantra de faharavan-jareo.16Mitondra fiaignana ny karaman'ny ôlo-marina; ny tombony azon'ny ratsy fagnahy de mitondra an'azy reo ho am'fahotana. 17Misy lalana mankaigny amin'ny fiaignana ho an'ze magnaraka ny fetsepi-pehezana, fa ze mandà de mande amin'ny lalan-diso.18Ze mitahiry fankahalana akao ampony de managna molotra mandaiga ary ze mampiely endrikendra de adala. 19Raha misy be resaka, de tsy maintsy mandainga, fa ze tsy miteniteny fôgna no hendry.20Volafotsy vôfantina ny lelan'ny ôlo-marina; fa tsy de misy ny lanjany ampon'ny ratsy fagnahy zany. 21Ny molotry ny ôlo-marina de mamelona ny maro, fa maty ny adala noho ny tsy fampen-tsaignan-jareo.22Ny fagnomezana tsara avy am'Yaveh no ahazaôna harena ary tsy ampeny fanaintaignana zany. 23Kilalao fataon'ny adala ny fagnanôvan-dratsy, fa ny fahendrena no fahafinaretan'ny ôla managna fahazavan-tsaigna.24Ny fahatahôran'ny ôla ratsy fagnahy de ahavô an'azy, fa ny fagnirin'ny ôla-marina de hamena an'azy. 25Ny ratsy fagnahy de salan'ny tafio-drivotra mandalo, ary tsy akeo ntsony zareo, fa ny ôla marina de managna fototra maharitra mandrakizay.26Salan'ny vinaigra mahazo ny nify ary salan'ny setroka mahavô maso de ôtran'zany kô ny kamo am'ze magniraka an'azy. 27Ny fatahorana an'i Yaveh no mahaela velona, fa ny taonan'ny mpagnano ratsy de ho hafoizina.28Ny fagnantignan'ny ôlo-marina no fifalinjareo, fa ny taonan'ny ratsy fagnahy de hafoizina. 29Ny lalan'i Yaveh de miaro ny marina fa fandringianana ny ratsy fagnahy zany. 30Ny ôla-marina de tsy ho rava mandrakizay, fa ny ratsy fagnahy de tsy hipetraka amin'ny tany.31Avy am'ny vavan'ny ôla-marina no ihavin'ny vokatry ny fahendrena, fa ny lela mpandainga de hofongorana. 32Ny molotry ny ôla marina mahafantatra an'ze mety, fa ny vavan'ny ratsy fagnahy, mahay an'ze fetaka.
Chapter 11

1Halan'i Yaveh ny mizàna mandainga tsy marina, fa kosa mankasitraka ny lanja marina Izy. 2Raha tonga ny fieboebòna de ho avy ny fahafam-baraka, fa avy am'fagnetren-tegna no hieven'ny fahendrena.3Ny tsy fivaden'ny maitsy no mitari-dalana an'azy reo, fa ny lala-meloky ny mpivadika de mamotika an'azy reo. 4Zava-pôgna ny harena amin'ny andron'mampasosy, fa ny fagnanôvana ny marina de miaro an'nao amin'ny fahafatesana.5Ny fitondran-tegna marina iaignan'ny tsy manan-tsigny de mampahitsy ny lalany, fa ny ratsy fagnahy de ho foaty noho ny haratsempagnahiny. 6Ny fitondran-tegna tsaran'ze mahafaly an'Andriamanitra de miaro an'azy, fa ny mpivadika de toden'ny ataony.7Rafa maty ny ôla ratsy fagnahy, de potika ny fagnantenany ary ny fagnantenana ze takao am'tanjagny de manjary zava-pôgna. 8Ny olo-marina de harôvana ho lavitry ny fahorena fa tonga am'ratsy fagnahy kosa zany.9Avy amin'ny vavany no amotehan'ny mpaniratsira ny namany, fa amin'ny fahalalana no erôvana ny ôla-marina. 10Refa ambinina ny ôla-marina de miravoravo ny tanàna; rafa potika ny ratsy fagnahy, de misy horakorampifalena. 11Avy am'fagnomezantsoa ze am'reo mahafaly an'Andriamanitra no mahatonga ny tanàna ho geza; avy am'vavan'ny ratsy fagnahy no mahapotika ny tanàna.12Ny ôla ze magnamavo ny namany de tsisy saigna, fa ny ôla managna fahazavan-tsaigna de mangina. 13Fa ze daôly lasa mpagnendrikendrika de mamôka tsiambaratelo, fa ny ôla atokisana de mahay mitahiry ny ra- sarobidy.14Raha tsy hendry ny mpitondra de ho rava ny firenena, fa ny fandresena de tonga fangalana hevitra am'mpanolontsigna maro.15Na iza na iza mampindram-bola ny vahiny de hijaly mafy tokô, fa ze mankahala ny fagnomezana antoka am'zany karazagna toky zany no vôaro.16 Ny veivavy tsara fagnahy de mahazo voninahitra, fa ny ôla maseka de mangoron-karena.17Ny ôla tsara fagnahy de magnome tombony hoan'ny tegnany, fa ze lozabe de mandratra ny tegnany.18 Ny ôla ratsy fagnahy de mandainga mba ahazaôny ny karamany, fa ze mamafy ny marina de mahazo ny karamany am'fahamarinana.19Ny ôla marina ze magnano ra-manjary de ho velona, fa ze magnaraka ny ratsy de ho foaty. 20Yaveh de mankahala an'ze managna fo mivadika, fa mankasitraka kosa an'reo ze mande tsy manantsigny Izy.21Izao no atôvo azo antoka_ ny ôla ratsy fagnahy de tsy ho afa-maigna, fa reo taranaky ny ôlo-marina de ho vôaro. 22Ny veivavy tsara tarehy tsy manampahendrena de salan'ny kavim-bolamena amin'ny oron-kiso.23Ny fagnirin'ny ôlo-marina de miafara amin'ny tsara, fa fahavignirana ihany no azon'ny ôla ratsy fagnahy antenaina. 24Fa misy mamafy voa de mahavokatra sy ahangona be izy, fa ny sasagny ze tsy mamafy kosa de tonga mahantra izy.25Ny ôla mahalala tagnana de ambinina ary ze magnome rano ny hafa de hanagna rano hoan'ny tegnany. 26Ozognon'ny ôla ny leilà mandà tsy hivarotra vokatra fa ny fagnomezan-tsoa no satroboninahitry ny lôn'ze mivarotra an'zany.27Ze tegna mikaraka ny tsara de mikaraka sitraka ihany kô, fa ze mikarakara ny ratsy de hatazagna an'zany. 28Ireo ze matoky ny harenany de ho lavo, fa ôtran'ny ravina maintso, no hamokaran'ny ôlo-marina.29Ze mitondra korotana akao am'fianakavinany de handova rivotra ary ny adala de hanjary mpanompon'ny hendry am-po.30Ny ôlo-marina de salan'ny kakazon'aigna, fa ny herisetra de mangala aigna.31 Fa, ny ôlo-marina de mandramby ze sahaza an'azy; mainka fa ny ratsy fagnahy sy ny mpagnota!
Chapter 12

1Na iza na iza te fagnanarana de te fahalalana, fa adala ze mankahala fagnitsina.2 Yaveh de magnome sitraka ny ôla tsara, fa magnameloka ny ôla ze magnano teti-dratsy Izy.3Ny ôla de tsy hotafatombigna am'faharatseny, fa ny ôla-marina tsy azo hofongorona. 4Ny vady hendry de satro-boninahitr ny vadiny, fa ze mitondra hegnatra de salan'ny mitondra aretina ze maha-lò ny tôlagny.5Maitsy ny fikasan'ny marina, fa mifogny fitaka ny toro-hevitry ny ratsy. 6Ny tenin'ny ôla ratsy fagnahy de mitetika ny hamono sy mampididoza fa ny tenin'ny maitsy kosa de miaro an'azy ireo.7Ny ôla ratsy fagnahy de haringana tsy ho akeo ntsony, fa ny tragnon'ny ôla-marina kosa de hitsangana. 8Deraina amin'ny habetsaky ny fahendrena hanagnany ny ôla, fa ze managna safidy ratsy kôsa de atao tsisy dikany.9Tsara ny managna tôrana ambany, na de mpanompo fôgna aza, toy'zay mirehareha am'ny fahamboniana kanefa tsy manan-kohanina.10 Ny ôla-marina de mitsimbina ny momba an'ireo bibiny, fa na de ny fangoraham-pon'ny ratsy fagnahy aza de lozabe.11Ze miasa ny taniny de hanagna ahanina betsaka, fa na iza na iza magnano an'reo tetikasa tsisy dikany de tsisy saigna. 12Ny ôla ratsy fagnahy de magniry an'ze nangalarin'ny ôlon-dratsy tamin'ny ôlon'kafa, fa ny vokaty ny ôlo-marina kosa de av am'ny tegnan'jareo ihany.13Ny ôlon-dratsy de vôfandriky ny vavaratsiny, fa ny ôlo-marina kosa de lavitry ny olagna. 14Avy am'ny vokatry ny tenin'ny ôla no ahazaôny ra-tsara, de ôtran'ny hamalena an'azy ny asan'ny tagnany tsara ihany.15Ny lalan'ny adala de marina akeo amasony ihany, fa ny ôlon-kendry kosa mitaiko toro-hevitra. 16Ny hasosen'ny adala de fantany hatramin'ny vôlôny, fa ze tsy miraharaha ny fangalam-baraka ihany no hendry.17Ze mitare ny marina de milaza ny rariny, fa ny fijoròna vavolombelona diso de milaza lainga. 18Ny tenin'ze miresadre-pôgna na reo magnano teny tsy tsarôna de salan'ny fanindrognan'ny sabatra, fa mitondra fagnasitragnana kosa ny lelan'ny hendry.19Ny molotra marina de maharitra mandrakizay, fa ny lela mpandainga kosa de mandritra ny fotôna fohy ihany. 20Misy fetaka ny ampon'reo ze magnano teti-dratsy, fa hafalena kosa no avy am'reo misaigna fiadanana.21Tsisy aretina ahazo ny ôla-marina, fa ny ôla ratsy fagnahy kosa de tsy ialan'olagna.22 Mankahala ny molotra mandainga Yaveh, fa reo ze maigna amin'ny fahatokisana kosa ny sitragny.23Ny ôlon-kendry de tsy mampideradera fôgna ny fahaiza amampahalalany, fa ny fon'ny adala kosa de mamôka fahadalana. 24Ny tagnan'ny mazoto de mahavelom-pagnantignana, fa ny kamo kosa de idiram-pahorena.25Ny alahelo tafalatsaka akao ampon'ny ôla de mampitagnondrika an'azy, fa ny teny tsara kosa de mahavelombolo an'azy. 26Ny ôlo-marina de mitaredalana ny namany, fa ny lalan'ny ratsy fagnahy kosa de mitarika an'azy reo am'lalan-diso.27Ny ôla kamo de tsy mba magnatona ny hazany, fa ny ôla mazoto kosa ahazo harena sarobidy. 28Ireo ze mande am'ny lalana marina de mahita fiaignana ary tsisy fahafatesana am'ze andianany.
Chapter 13

1Mino ny fagnanaran-drainy ny zanaka hendry, fa ny mpaniratsira de tsy mino anatra mintsy no de faizina mafy. 2Avy amin'ny vokatry ny vavan'ôla no ahazaôna ra tsara, fa ny mpamitaka kosa de magnomagna ady.3Ze mahafe ny vavany no miaro ny aignany, fa kasivava de mamotika ny tegnany ihany. 4Ny ôla kamo de magniry nefa tsy mahazo na ino na ino, fa ny ôla mazoto kosa de hoafa-po am'ze ataony.5Ny ôla-marina de mankahala laingo, fa ny ôla ratsy fagnahy kosa de magnano ny tegnany ho mamparikoriko, ary magnano an'ze mamegnatra izy. 6Ny fahamarinana de miaro an'reo ze mande tsisy tsigny, fa ny faharatsina de mamotika an'reo ze magnota.7Misy ôla mihambo ny tegnany ho mpanankarena, nefa tsy managno na ino na ino mintsy ary misy ôla mahafoy ny ra daôly, kanefa tegna manan-karena. 8Ny harenan'ny ôla mpanan-karena no amonjeny ny aignany fa ny ôla mahantra tsy maregny fampitahôrana.9Ny hazavan'ny ôlo-marina de mazava tsara, fa ny jiron'ny ratsy fagnahy de hofoaty. 10Fifandirana no vokatra ateraky ny avognavogna, fa ho an'reo ze mitaino toro-hevitra tsara no misy fahendrena.11Hihegna ny harena rafa be lôtra ny zava-pôgna andaniana an'azy fa efa mitady vola amin'ny asan'ny tagnany de hampitombo ny volany. 12Refa mihegna ny fagnantignana, de mandratra fo zany, fa ny fagniriana tanteraka no kakazon'aigna.13Ze mankahala ny fampianarana de ahavery ny tegnany, fa ze magnaja ny didy de ahazo valisoa. 14Ny fampianaran'ny ôlon-kendry de lôranon'aigna, miaro an'nao amin'ny fandriky ny fahafatesana.15Ny fahendrena tsara de ahazaôna fitia, fa ny lalan'ny mpamadika de ho sarotra mandrakizay. 16Ny ôla mahiratsaigna de mandray ny fanapan-kevitra amin'ny fahaizana daôly, fa ny adala de mampiariary ny hadalany.17Ny iraka ratsy fagnahy de ho tafalatsaka agnaty fahorena, fa ny tsara kosa mitondra fampihavanana. 18Ze tsy miraharaha fampianarana de ahantra sy ho megnatra, fa ho an'ze magneky ny fagnanarana sy fagnitsina ny voninahitra.19Ny fagnirina tanteraka de mamin'ny fo, fa ny adala mankahala ny fialàna amin'ny ratsy. 20Miaraha lalana amin'ny ôlon-kendry de ho hendry anao, fa ny naman'ny adala de hijaly amin'ny ratsy.21Magnenjika ny mpagnota ny loza, fa ny ôla-marina de amena valisoa amin'ny tsara.22 Mamela lova hoan'ny zafiny ny ôla tsara, fa ny harenan'ny mpagnota de vôtahiry hoan'ny ôlo-marina.23Ny tany ze tsy mbôla vôasan'reo mahantra de afaka mamokatra ahanina betsaka, fa vôfafa amin'ny tsy rariny zany. 24Ze tsy magnitsy ny zanagny de mankahala an'azy, fa ze te ny zanagny kosa de magnanatra sy magnafay an'azy tsara.25Ny ôlo-marina de ihinana mandra-pahavokiny, fa ny kebon'ny ratsy fagnahy de ho nôna isan'andro isan'andro.
Chapter 14

1Ny veivavy hendry manangana ny tragnony, fa ny veivavy adala de mandrava an'zany amin'ny tagnany. 2Ze mande mahitsy no matahatra an'i Yaveh, fa ze tsy marina am'ny lalany de magnano tsisy dikany an'Azy.3Am'ny vavan'ny adala no mahatonga fireharehana, fa ny molotry ny hendry no hiaro an'azy reo. 4Refa tsisy ny biby tarizina de madio ny lokaloka fihinanany, fa mitombo de ny vokatra azo am'ny tanjaky ny aomby.5Ny vavolombelona tsara de tsy mandainga, fa ny vavolombelona satonka de mamôka lainga. 6Mikaraka fahendrena ny mpagneso fa tsy mahita, fa ho azon'ze manantsaigna mora fôgna ny fahalalana.7Mialà amin'ny ôla adala, fa tsy ahazo fahalalana akeo am'ny molony anao. 8Ny fahendrena amin'ny ôla mahiran-tsaigna de mahafantatra ny lalana andianany, fa ny fahadalan'ny adala de fitaka.9Magneso reo adala refa vita ny sorogny ny fagnatitra noho ny heloka, fa vôzara am'reo mahitsy ny fankasitrahana. 10Ny fo mahafantatra ny ngidin'ny alahelony ary tsisy vahiny mizara ny hafaleny.11Ho ravana ny tsagnon'ny ôla ratsy fagnahy, fa hambinina kosa ny tragnon'ny ôla-marina. 12Misy lalana heverin'ny ôla ho marina, kanefa ny farany mitarika mankaigny amin'ny fahafatesana.13Na de mihomehy aza ny fo, kanefa mety hanaintaigna ihany ka hiafara amin'ny alahelo ny hafalena. 14Ze tsy marina de ahazo an'ze vokatry ny lalany, fa ny ôla tsara de ahazo an'ze an'azy.15Fa ny bado de mino ny ra daôly, fa ny ôla mandinika kosa mieritreritra ny deny. 16Matatra ny ôla hendry, ka miala amin'ny ratsy, fa ny adala kosa de mitrôtra ka matoketoky fôgna.17Ny ôla mora sosy de mahavita hadalana, ary ny ôla ze magnano teti-dratsy de ankahalaina. 18Ny bado de mandova fahadalana, fa ny ôlon-kendry kosa no ampisatrôna ny satroboninahitry ny fahaizany.19Ny ôlon-dratsy de hiankohoka agnatrehan'ny tsara fagnahy ary ze ratsy fagnahy kosa hiankohoka akeo ambaravaragnin'ny ôlo- marina. 20Ankahalaina ny ôlo-mahantra na de reo namany aza, fa ny ôla manankarena kosa mana-namana betsaka.21Ze magnamavo ny namany de magnota, fa sambatra ze miantra ny mahantra. 22Tsy reo ze magnano teti-dratsy ma ny mande amin'ny hevi-diso? Fa reo ze mikasa hagnano ny tsara de ahazo fahamarinana sy famindrampo.23Avy amin'ny asa mafy daôly no ahazaôna vokatra, fa raha resaka fôgna, de mitarika mankaigny am'ny fahantrana'zany.24 Satro-boninahitry ny ôlo hendry ny harenany, fa ny adalan'ny adala mitondra hadalana ho an'azy.25Ny vavolombelona marina de magnavotra aigna, fa ny vavolombelona santoka mamôka lainga.26Refa matahatra an'i Yaveh ny ôla, de managna fahatokisana be an'azy ko izy; reo ra reo de salan'ny tôrana fiarôvana mafy ho am'zanak'izany leilà zany. 27Ny fatahôrana an'i Yaveh de lôranon'aigna, mba ahafahan'ny ôla miala am'reo fandriky ny fahafatesana.28Araky ny hamarôn'ny vahôkany ny voninahitry ny mpanjaka, fa raha tsisy ny vahôka de rava ny fitondrany. 29Ny ôla manam-pahaizana be no maharitra, fa ny ôla mora sosy de mora magnano hadalana.30Ny fo milamina de aigna hoan'ny vatagna, fa ny fialonana de mahalò ny tôlagna. 31Ze mampahory ny mahatra de mangala baraka ny mpamorona an'azy, fa miantra ny fadiranovana de magnome vovninahitra an'azy.32Ny ôla ratsy fagnahy deahetrin'ny asa ratsiny, fa ny ôlo-marina de hanan-kialofana na amin'ny fahafatesana aza. 33Ny fahendrena mipetraka ampon'ny mahalala, fa na de akao amin'ny adala aza de ataony fantatra ny aminazy.34Ny fagnanôvana ny marina no mampisondrotra ny firenena, fa ny fahotana de fahafambaraka ny ôla daôly. 35Ny fankasitrahan'ny mpanjaka de amin'ny mpanompo manantsaigna ze miasa tsara, fa ny hasoseny de am'ze magnano asa maha megnatra.
Chapter 15

1Ny valin-teny moramora de mampilamina ny hasosena, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosena. 2Ny lelan'ny hendry mahatonga fahaizana, fa ne vavan'ny adala kosa mamôka hadalana.3Fa am'zao tany daôly zao ny mason'i Yaveh, fa mandenika ny ratsy fagnahy sy ny tsara fagnahy izy. 4Ny leila magnasitrana de kakazon'aigna, fa ny lela mpamitaka de mandratra ny fagnahy.5Ny adala de magnamavo ny fagnanaran-drainy, fa ze mandramby ny fagnanarana no hendry. 6Akao andragnon'ny ôlo-marina no misy harembe, fidiram-bolan'ny ratsy fagnahy kosa de magnome fahorena an'azy.7Ny molotry ny hendry de magnaparitaka fahaizana amampahalalana, fa tsy ôtran'zany kosa ny fon'reo adala. 8Mankahala ny fagnatitr'reo ôla ratsy fagnahy Yaveh, fa ny vavaky ny ôlo-mahintsy no sitragny.9 Mankahala ny fomban'ôla ratsy fagnahy Yaveh, fa ze magnaraka ny marina no teny. 10Famaizana mafy ny mahazo ny ôla mivily lalana, ary ze mankahala fagnanarana de ho foaty.11Ny fiaignan-tsy hita sy ny fandringianana aza de miharihary agnatrehan'i Yaveh; ka maika fa ny fon'ny zanak'olombelona? 12Ny mpaniratsira de sosy amin'ny fagnanarana an'azy; tsy hankaigny amin'ny hendry mintsy izy.13Ny fo ravoravo de mahamiramiran-kendrika, fa ny alahelon'ny fo kosa de mandreraka ny fagnahy. 14Ny fon'ny manan-tsaigna de mikaraka fahendrena, fa ny vavan'ny adala mihinana fahadalana ihany.15Ratsy daôly ny andron'ny ory daôly, fa ny fo ravoravo de miramirana lalandava. 16Aleo kely amin'ny fahatahôrana an'i Yaveh toy'zay harem-be misy tsi-fahamarinana.17Aleo ahanina misy laoka agnana feno fitiavana, toy izay aomby mifahy arahin-dromoromo. 18Ny ôla mora sosy de tsy ialan'ady, fa ny ôla mahay manindry fo de mahay magnafôgna ny fifandirana.19Ny lalan'ny kamo de ôtran'ny tôrana misy bako tsilo, fa ny lalan'ny mahitsy de ôtran'ny lalambe vômbôtra tsara. 20Ny zanaka hendry de mitondra fifalina hoan'ny rainy, fa ny ôla adala de magnano tsisy dikany ny reniny.21Mahafinaritra ny ôla tsy ampy saigna ny adalana fa ze manan-tsaigna de momba amin'ny lalana mahitsy. 22Mandamoka ny tetika rafa tsy ampy fandinina, kanefa refa misy mpanolontsaigna de mahomby zany.23Mahita hafalina ny ôla rafa magnome valiny mahafapo izy tsara ny teny rafa vôlaza amin'ny fotônany! 24Mitondra ny ôlon-kendry miaraka agnambo ny lalam-piaignana mba hagnalaviran-jareo ny fiaignan-tsy hita aigny ambanin'ny tany.25Ho poten'i Yaveh ny lovan'ny mpirehareha, fa miaro ny fanagnan'ny mpitondra tegna izy. 26Mankahala ny fisaignan'ny ôla ratsy fagnahy Yaveh, fa ny tenin'ny tsara fagnahy de madio.27Mitondra olagna am'fianakaveny ny mpangalatra, fa ny ôla mankahala tsolotra de ho velona. 28Ny fon'ny marina de misaintsaigna alôn'ny hamaleny, fa ny vavan'ny ratsy fagnahy kosa mamôka ny ratsy akao ampony.29Lavitra an'ze ratsy fagnahy Yaveh, fa mitaino ny vavaky ny ôlo-marina Izy. 30Ny fahazavan'ny maso de mitondra fifalina amin'ny fo, fa ny vaovao tsara de fahasalamana hoan'ny vatagna.31Raha magneky ny fagnitsina ataon'ôla am'momba ny fiaignanao anao, de hipetraka amin'ny tôran'reo ôla hendry. 32Ze mandà anatra de magnano tsisy dikany ny tegnany, fa ze mino fagnanarana kosa de mahazo fahazavan-tsaigna.33Mampianatra fahendrena ny fatahôrana an'i Yaveh, ary fagnetrentegna no mialô ny voninahitra.
Chapter 16

1An'ny ôla ny fikasan'ny fo, fa avy am'i Yaveh ny valinteny farany avy am'lelany. 2Ataon'ny ôla fa madio daôly ny lalana andianany, kanefa Yaveh ihany no mandanja ny fagnahiny.3Ankigno am'Yaveh ny asanao de ho lavorary ze kasainao. 4Nataon'i Yaveh misy antony daôly, na ny ratsy fagnahy aza de nataony mahita loza amin'ny andrompahorena.5Mankahala ny ôla daôly ze managna fo miavognavogna Yaveh, azo antoka fa ataony tsy afa-miaigna ze magnano an'zany. 6Am'tsy fivadem-panekena sy ny fahamarinana no hagnavotana amin'ny heloka ary am'fahatahôrana an'i Yaveh no hialan'ny ôla am'ratsy.7Rafa ankasitrahan'i Yaveh ny lalan'ny ôla, na ny fahavalon'izany ôla zany aza de ataony mihavana aminazy. 8Aleo kely azo am'fahamarinana, toy izay vola be azo am'tsy rariny.9Akao ampony no handinin'ny ôla ny lalana andianany, fa Yaveh ihany no mampizotra ny deny. 10Fanapan-kevitra lalina no am'molotry ny mpanjaka, fa ny vavany de tsy mba hamadika ny rariny.11Avy am'Yaveh ny fandanjana ny marina; fa ny lanja daôly am'kitapo de asany. 12Rafa magnano ratsy ny mpanjaka, de tokony atao ra tsisy dikany zany, satria ny seza fiandrianana de miorina am'fagnanôvana ny marina.13Faly am'molotra milaza ny marina ny mpanjaka, ary de teny ny ôla miteny ny marina. 14Ny hasosen'ny mpanjaka de iraky ny fahafatesana, fa ny olon-kendry kosa de hiezaka hampisava ny hasoseny.15Am'ny fahamiramiran'ny tavan'ny mpanjaka ny fiaifnana ary ny fankasitrahany de sahala am'rôndro mitondra oran-dôtaona.16 Tsara ny mahazo fahendrena, noho ny mahazo volamena. Aleo mifidy ny mahazo fahazavan-tsaigna toy izay mahazo volafotsy.17Ny lalam-ben'ny marina de miala am'ratsy; ary ze miaro ny aignany de mitandrina ny lalany. 18Mialô ny faharavana ny fireharehana, ary ny fagnahy mieboebo de mialô ny fahalavôna.19Tsara ny magnetri-tegna am'reo ôla maharitra toy zay mizara an'ze nibabona amin'ny ôla mpirehareha. 20Ireo ze daôly mandinika an'ze nampianarina an'azy de ahita soa, ary reo ze mitoky am'Yaveh de ho tahina.21Am'ze hendry ampo no lazaina fa manan-tsaigna ary ny hamamin'ny teny no mampivôtra ny fahaizamampianatra. 22Ny fahaizavan-tsaigna de lôranon'aigna hoan'ze managna an'zany, fa ny fampianaran'ny adala de ny fahadalany.23Ny fon'ny olon-kendry magnome saigna ny vavany ary mandresy lahatra ny molony. 24Ôtran'ny tragnon-tintely ny teny mahafinaritra ary mamin'ny fagnahy sy fagnasitagnana hoan'ny tôlagna.25Misy lalana heverin'ny ôla ho marina, kanefa ny fiafarany de lalana mankaigny amin'ny fahafatesana. 26Miasa ho an'ny tegnany ny mpiasa, fa ny hanoanany no manesika an'azy.27Ny ôla tsisy varany de magnano ankasoparana, fa ny teniny de ôtran'ny afo mandoro. 28Ny ôla ratsy fetondrantegna de magnetsika ady ary ny mpifosa de mampisaraka ny mpinamana ankeky.29Ny ôla maherisetra de mandainga am'namany ary mampivarena an'azy am'lalana tsy tsara. 30Ze mipi-maso de mitetika ra-ratsy; fa'reo ze magneki-molotra de magnano ratsy.31Ny volofotsy de satro-boninahitra; fa azo avy am'fiaignana sy ny lalana marina zany.32 Tsara ny tsy mora sosy noho ny miady ary ny ôla mitondra ny fagnahiny de mahery noho ny ôla ze mambabo tanàna raika.33Ny filokana de atsipy akeo ampofôna, fa ny fanapankevitra de avy am'Yaveh.
Chapter 17

1Tsara kokoa ny miaigna mangingigna miaraka am'tapa-mofo noho ny akao am'tragno feno hanina misy fifandirana. 2Ny mpanompo hendry de hanapaka akeo am'zanagny ze magnano toetra mamegnatra ary hiray am'reo rahalà.3Ny memy ho an'ny volafotsy ary ny lafaoro fandrendrehana ho an'ny volamena, fa Yaveh no manefy ny fo. 4Ny mpagnano ratsy mitaino ny molotry ny ratsy fagna; manongilan-tsofina am'lela mpandringana sy mpandainga.5Na iza na iza magneso ny malahelo de miteny ratsy ny Mpahary an'azy ary ze mifaly am'fahavoazana de tsy afa-bela am'famaizana. 6Satro-boninàtran'ny antitra ny zafy ary mitondra voninàtra ho an'reo zanagny ny ray aman-dreny.7Ny kabary tsara lahatra de tsy mety amin'ny adala; ka ndrindra fa ny molotra mpandainga ho manjary ho an'ny fianakaven'ny mpanjaka. 8Ôtra ny vato mahagaga ny kolikoly ho an'ny ôlà ze magnome an'zany; na iza na iza itodeny, de mahômby izy.9Ze manarogna hegnatra de mikaraka fitiavana, fa ze mamerigna ny fahadisôna talô de mampisaraka an'reo mpisakaiza ankeky. 10Miditra lalindaligna aigny amin'ny ôlà ze managna fahazana-tsaigna ny teny mafy noho ny taroka in-jato mankaigny amin'ny adala.11Ny ôlon-dratsy de mikaraka fitsibadena fôgna, ka de halefa hanoitra an'azy ny iraka lozabe. 12Aleo mifanegna amin'ny bera very zanaka tsy zay amin'ny adala am'fahadalany.13Raha misy ôlà mamaly ratsy ny tsara, de tsy hiala ny tragnony mandrakizay ny ratsy. 14Ny fendohan'ady de ôtra ny ze mamela ny rano hiparitaka am'ze tèny handianana, ka de alaviro ny fifandirana dieny mbôla tsy vaky zany.15Ny ôlà ze magnamarina ny ôlon-dratsy ary ny ôla ze magnameloka ny ôlo-marina -- de samy mamôfady akeo amin'i Yaveh reo. 16Nagnino ny adala no tokony handô vola mba hianatra momba ny fahendrena, nefa izy tsy managna fahafahana ny hianatra an'zany?17Ny sakaiza de tè am'fotôna daôly sady rahalà nateraka ho am'fotônan'ny fahorena. 18Ny leilà tsisy saigna magnano fampagnantenana mamatotra ka tonga tompon'antoka am'trosan'ny namany.19Na iza na iza tè ady de tè heloka; ze magnano ny tokonam-baravarany ho ambo lôtra de magnapotika ny tôlagna. 20Ny ôlà ze managna fo maditra de tsy hahita na ino na ino tsara; lavo am'loza ze managna lela mpamitaka.21Na iza na iza ray aman-drenin'adala de mitondra alahelo ho an'ny tegnany; ary tsy managna hafalena ny rain'ny adala. 22Fagnafody tsara ny fo miramirana, fa ny fagna ketraka kosa mahamaigna ny tôlagna.23Ny leilà ratsy fagna mankasitraka kolikoly misitrika mba hamadena an'reo lalan'ny rariny. 24Ny ôlà ze managna fahazavan-tsaigna de mampitodika ny ny tareny mankaigny am'fahendrena, fa ny mason'ny adala kosa mitodika aigny am'reo vazan-tany.25Ny zanaka adala de alahelo ho an'ny rainy ary fangidìna ho an'ny veivavy ze niteraka an'azy. 26Ary kô, tsy tsara mihitsy ny magnasazy ny ôlo-maria; na mitaroka ôlà mendri-kaja ze managna fahitsina.27Ze manam-pahalalana mampiasa teny fohy ary ze managna fahazavan-tsaigna de mahatsindry fo. 28Na de adala aza heverina ho hendry raha ôtra ka mangigna; rafa manakombom-bava izy, de heverina ho manan-tsaigna
Chapter 18

1Ze mitokantegna de mikaraka ny fagniriny manokana ary mifanditra am'fitsaràna tsara daôly izy. 2Ny adala de tsy mahita fahafinaretana am'fahazavan-tsaigna, fa am'fanambarana ze akao am-pony ihany.3Rafa misy ôlà ratsy fagna tonga, de tonga miaraka aminazy ny fagnamavôna -- miaraka am'hegnatra sy fahafaham-baraka. 4Rano ny tare avôkan'ny vavan'ny ôlà; ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena.5Tsy tsara ny miangatra amin'ny ôlà ratsy fagna, na mandà ny rariny amin'ny ôlo-marina. 6Ny molotry ny adala de mitondra ady ho an'azy ary ny vavany mikatsika taroka.7Ny vavan'ny adala no faharavàny ary mamandrika ny tegnany am'molony izy. 8Ny tenin'ny mpifosa de ôtra ny poti-kanina matsiro ary midigna aigny agnatin'ny vatagna reo.9Ze mivagnavagna amin'ny asany ihany kô de rahalàn'ze tegna mamotika. 10Tilikambo mahery ny agnaran'i Yaveh; mihazakazaka mankao ny marina ka vôaro.11Ny harenan'ny mpanan-karena no tanàna vôarony ary sala ny manda ambo akao agneritreriny. 12Melô ny faharavàny de mirehareha ny fon'ny ôlà, fa ny fagnetrentegna no tonga alôn'ny voninàtra.13Ze mamaly alôn'ny fitainòna -- de adalana sy hegnatra ho anazy zany. 14Zakan'ny fagnahin'ny ôlà ny fahararena, fa iza no hahazaka an'zany fagna torotoro zany?15Ny fon'ny manan-tsaigna de mandranto fahalalana ary ny sofin'ny hendry mikaraka an'zany. 16Ny fagnomezan'ny ôlà de mety hanokatra lalana sy hitondra an'azy akeo agnolônan'ny ôlom-be.17Ze vôlôny mitondra ny raharahany de ôtra ny marina mandra-patongan'ny mpifagnandrina aminazy ka hagnontany an'azy. 18Ny filokana de mandamina fifandirana sy magnasaraka an'reo mpifagnandrina mahery.19Ny rahalà tafitòna de sarotra azo noho ny tanàna mahery, ary ny fifandirana ôtra ny hidin'ny lapa. 20Avy am'vokatry ny vavany no mahafeno ny kibon'ôla raika; am'vokatry ny molony no mahafa-po an'azy.21Ny fahafatesana sy aigna de fehezin'ny lela, ary reo ze tè ny lela de hihinana ny vokany. 22Ze leilà mahita vady de mahita ra tsara ary mahazo sitraka amin'i Yaveh.23Ny ôlà mahantra de mengavy famindram-po, fa ny ôlà manan-karena kosa mamaly maseka. 24Ze milaza managna namana betsaka de ho ravainjareo,fa misy namana ze ankeky mandombolombo ny rahalà.
Chapter 19

1Tsara tegna tsara ny ôlà mahantra ze mande am'fahitsiny noho ny ôlà mivadika am'teniny ary adala. 2Ary kô, tsy tsara ny managna fagnirina tsisy fahalalana ary ze mihazakazaka mafy lôtra de ho diso lalana.3Ny hadalan'ny ôlà no mamotika ny fiaignany ka amin'i Yaveh no sosy ny fony. 4Mahabe namana ny harena, fa ny ôlà mahantra kosa de tafasaraka am'reo namany.5Ny vavolombelona sandoka de tsy ho afa-maigna ary ze mamôka lainga de tsy ho afa-bela. 6Maro ny hila sitraka amin'ôlà malala-tagnana ary ny daôly de naman'ze manolotra fagnomezana.7Halan'ny rahalàny daôly ny ôlà mahantra; ka maika fa reo namany ze magnalavitra an'azy! Hagnantso an'njareo izy, nefa efa lasana zareo. 8Ze mahazo fahendrena de tè ny aignany; ze mitana ny fahalalana de hahita soa.9Ny vavolombelona sandoka de tsy ho afa-maigna, fa ze mamôka lainga kosa de ho foaty. 10Tsy manjary amin'ny adala ny miaigna amin'ny harena mahafinaritra-- mainka fa ny hanapahan'ny andevo akeo am'reo andriandahy.11Ny fahamalinana mahatonga ny ôlà tsy ho mora sosy ary voninàtra ho an'azy ny tsy mitazagna ny fahadisôna. 12Ny fahasosen'ny mpanjaka de ôtra ny fitrerogn'ny liona tanora, fa ny sitrany kosa de ôtra ny ando amin'ny ahitra.13Ny zanaka adala de faharavana ho an'ny rainy ary ny vady mpifanditra de ôtra ny rano mitete tsy tapaka. 14Ny tragno sy harena lo lova avy am'ray aman-dreny, fa ny vady hendry kosa no avy amin'i Yaveh.15Ny hakamôna de mandatsaka ny ôlà agnaty torimaso laligna, fa ze tsy vonona hiasa kosa de ho nôna. 16Ze mankatò ny didy de miaro ny aignany, fa ny ôlà ze tsy mihevitra ny lalany kosa de ho foaty.17Re daôly ze mihantra ny mahantra de mampisambotra an'i Yaveh ary honerany izy noho reo ze nataony. 18Fehezo ny zanakao lahy dieny misy fagnantenana ary aza entim-pagnirina hamono an'azy.19Ny ôla be kizintigna de tsy maintsy magnefa ny sazy; raha mamonjy an'azy anao, de tsy maintsy hamerigna an'zany fanindrôny anao. 20Tandrigneso ny torohevitra ary ekeo ny fampenarana, mba ho tonga hendry anao aigny am'fefaran'ny fiaignanao.21Betsaka ny fikasàna akao am-pon'ny ôlà, fa ny tanjon'i Yaveh no haharitra. 22Ny tsy fivadena no irian'ny ôlà ary tsara kokô ny ôlà mahantra noho ny mpandainga.23Ny fagnomezam-boninàtra an'i Yaveh no mitarika ny ôlà am'fiaignana; ze daôly managna an'zany de ho afa-po ary tsy ampahoren'ny ratsy. 24Ny kamo de handevigna ny tagnany akao agnaty vile; tsy hamerigna hampiakatra an'zany akao am-bavany izy.25Vileso ny mpaniratsira, de ho mailo ny ôlà bado; anaro ze ôlà manan-tsaigna, de hahazo fahalalana izy.26Ze mandroba ny rainy ary mandroaka ny reniny de zanaka mitondra hegnatra sy fahafaham-baraka. 27Raha mijanona ny mihaino fampianarana anao, ry zanako lahy, de hania hiala am'reo tenin'ny fahalalana anao.28Ny vavolombelona mpivadika de maniratsira ny fitsarana ary ny vavan'ny ratsy fagna miteligna heloka. 29Vonona ho an'reo mpaniratsira ny fanamelòna ary ny taroka ho am'lakambon'ny adala.
Chapter 20

1Ny divay de mpaniratsira ary ny zava-pisotro mahery de mpitabataba; ze vôvily lalana am'fosotròna am'lalan-diso de tsy hendry. 2Ny tahotra ny mpanjaka de ôtra ny tahotra ny liona tanora ze mitrerogna; ze mampahasosy an'azy de magnary ny aignany.3Voninàtra ho an'ny daôly ny misoroka fifamalena, fa ny adala daôly de mentsampy am'fiadivan-kevitra. 4Ny ôlà kamo de tsy miasa tany am'lôtaona; mitady vokatra izy am'fararano fa tsy hahazo na ino na ino.5Ny tanjona akao am-pon'ny ôlà de sala ny rano laligna, fa ny ôla ze manam-pahalalana kosa hamôka an'azy. 6Betsaka ny ôlà milaza fa tsy mpivadika, nefa iza no afaka hahita ôlà hatokisana?7Ny ôlà marina de mande am'fahitsina, ary reo zanagny ze mandimby an'azy afarany de ho tahiana. 8Ny mpanjaka ze mipetraka akeo am'seza fendrianany magnatanteraka an'reo adidin'ny mpitsara de manivana an'reo ratsy dôly ze akeo alôny am'masony.9Iza no afaka mitare hoe: "Efa nitana ny foko hadio za, afaka amin'ny otako za"? 10Ny mizana tsy mitovy lanja sy ny fandrifesana tsy mitovy-- de samy halan'i Yaveh.11Na ny tanora aza de fantatra amin'ny ataony, raha madio sy mahitsy ny fitondran-tegnany. 12Ny sofigna ze maregny ary ny maso ze matazagna-- de samy nataon'i Yaveh daôly reo.13Aza be torimaso ndraindray ho tonga am'fahantrana anao; sokafo ny masonao de hanan-kohanina be anao. 14"Ratsy! ratsy!" ozy ny mpividy, fa rafa lasana izy de mirehareha.15Misy ny volamena sy vato lafo vidy betsakabe, fa ny molotry ny fahalalana de firavaka sarobidy. 16Alao ny akanjon'ze nampisy fiarôvana ho an'reo vahiny, ary tano ho antoka zany raha magnisy fiarôvana ho an'ny veivavy ratsy fitondran-tegna izy.17Mamy ny tsiron'ny mofo azo am'fitaka, nefa rafa afaka zany de feno vatokely ny vavany. 18Reo paika de vôlamin'ny torohevitra ary ny amin'ny tari-dalana hendry ihany no tokony hitondranao ny ady.19Ny fifosàna mamôka tsiambaratelo ary noho zany de tsy tokony hiaraka am'reo ôlà ze mpiteniteny fôgna anao. 20Raha misy ôlà magnozona ny rainy sy ny reniny, de ho foaty akeo ampovôn'ny aizigna ny jirony.21Ny lova azo mora fôgna aigny am-piandohana de tsy de hahasoa aigny am-parany. 22Aza mitare hoe: "Hamaly an'nao noho iny ratsy iny za!" Mandignesa an'i Yaveh de hamonjy an'nao Izy.23Halan'i Yaveh reo vato fandanjana tsy mitovy ary ny mizana tsy marina de tsy tsara. 24Ny den'ny ôlà de taritin'i Yaveh; ka manakôry no ahalalany ze lalany?25Fandrika ho an'ny ôlà ny miteny an-kamehana hoe: "Masina ty ra ty," ary rafa avy nagnano ny voadiny vao manomboka mieritreritra ze dikany. 26Ny mpanjaka hendry de manivana ny ratsy fagna ary mamadika ny kodiaran'ny fikororohana akeo aminjareo.27Ny fagnan'ny ôlà no jiron'i Yaveh, mikaraka an'reo singa agnatiny ndrindra. 28Tsy fivadem-pagnikena sy fahamendreham-pitokisana no miaro ny mpanjaka; ny seza fendrianany de vôaron'ny fitiavana.29Ny voninàtran'reo gaondà de tsy ny tanjany ary ny famirapiratan'ny ôlà antitra de ny volofitsiny. 30Reo familesana ze mandratra mangala ny ratsy ary ny taroka de mahatonga ny aigny agnaty laligna hadio.
Chapter 21

1Ny fon'ny mpanjaka de rano mikorigna akeo an-tagnan'i Yaveh; haviliny aigny amin'ny hitiavany an'azy zany. 2Ny lalan'ôlà daôly de mahitsy akeo amasony ihany, fa Yaveh no mandanja ny fo.3Ze magnano ny marina sy mahitsy de sitrak'i Yaveh mandombolombo ny sorogna. 4Ny fiavognavognan'ny maso sy fireharehan'ny fo -- ny jiron'ny ratsy fagna -- de fahotana.5Reo fikasan'ny mazoto de mitarika makaigny am'fagnambinana ihany, fa ny ôlà daôly ze maimaika lôtra de tonga am'fahantrana ihany. 6Ny fahazahôna harena am'lela mandainga de entina mihelina ary fandrika mamono.7Ny herisetran'ny ratsy fagna de hisintona an'njareo, satria mandà ny hagnano ze rariny zareo. 8Miolakolaka ny lalan'ny ôlo-meloka, fa ny ôlà ze madio de magnano ze marina.9leo mentotra akeo am'zoron'ny tafo noho ny miray tragno am'vady mpila ady. 10Ny hanohanan'ny ratsy fagna de magniry fatratra ny ratsy; tsy mahita fahatsarana akeo am'masony reo namany izy.11Rafa faizina ny mpaniratsira, de ho hendry ny kely saigna, ary rafa anarina ny ôlà hendry, de hitana fahalalana izy.12Mandinika ny tragnon'ny ôlà ratsy fagna ny ôlo-marina; mitondra ny ôlà ratsy fagna ho am'loza izy.13Ny ôlà ze manampina ny sofigny am'fitaraignan'ny mahantra, de mbôla hitaraigna ihany kô, nefa tsy hisy hamaly an'azy. 14Ny fagnomezana mangingina mampitony ny hasosena ary ny fagnomezana misitrika de mampilefy ny fahasosena mafy.15Rafa vita ny fitsarana, de mitondra fifalena ho an'ny ôlo-marina zany, nefa mitondra horohoro ho an'reo mpagnano ratsy zany. 16Ze mirenireny miala am'lalan'ny fahazavan-tsaigna, de hijanona akao am'fiangonan'ny maty.17Ze tè fahafinaretana de hahantra; ze tè divay sy diloilo de tsy hanan-karena. 18Ny ôlà ratsy fagna de solovaika ho an'ny ôlo-marina, ary ny ôlà mpamitaka de vidim-pagnavotana ho an'ny ôlà mahitsy.19Aleo mipetraka aigny an-tany efitra toy zay miaraka am'vady mpifanditra sy sosy. 20Harena sarobidy sy menaka no akao an-dragnon'ny hendry, fa ny ôlà adala kosa mandany an'reo.21Ze magnano ny marina sy tsara fagna -- zany ôlà zany de hahita ny fiaignana, fahamarinana, ary voninàtra. 22Ny ôlà hendry magnanika ny tanàna'reo mahery, ary mandrodana ny ferôvana mafy ze natokisan'reo.23Na iza na iza miambina ny vavany sy ny lelany de miaro ny tegnany am'fahorena. 24Ny ôlà miavognavogna sy mirehareha__"Mpaniratsira" no agnarany__de magnano fihetsika feno fiavognavognana25Ny fagnirin'ny kamo de mahafaty an'azy, satria mandà ny hiasa ny tagnany. 26Magniry fatratra mandritra ny indray andro manontolo izy, fa ny ôlo-marina de magnome sady tsy kahihitra.27Mamparikoriko ny sorogna avy am'ratsy fagna; mamparikoriko mandombolombo aza zany rafa mitondra an'zany amin'ny antony ratsy izy. 28Ho foaty ny vavolombelona sandoka, fa ny ôlà ze mitaino de hitare am'fotôna daôly.29Ny ôlà ratsy fagna de magnamafy ny endrigny, fa ny ôlà mahitsy de matoky am'lalany. (Fagnamarihina: ny sanagny am'reo dikan-teny vaovao de magnano hoe: fa ny ôlà marina mihevitra an'ze handianany.)30Tsisy fahendrena, tsisy fahalalana, ary tsisy torohevitra afaka mijoro hanoitra an'i Yaveh. 31Ny sôvaly nomagnina ho amin'ny andron'ny ady, nefa an'i Yaveh ny fandresena.
Chapter 22

1Aleo misafidy ny laza tsara toy zay be harena ary tsara noho ny volafotsy sy volamena ny sitraka. 2Ny mpanan-karena sy ny mahantra de samy managna an'zany -- Yaveh no mpahary an'azy daôly.3Ny ôlà mailo mahita ny loza ka misitrika, fa ny bado kosa mandroso ary mijaly noho zany. 4Ny valisôn'ny fagnetren-tegna sy fahatahôrana an'i Yaveh de harena, voninàtra, ary fiaignana.5Ny tsilo sy ny fandrika no akeo am'lalan'ny maditra; fa ze miaro ny aignany de hagnalavitra an'azy reo. 6Ampenaro am'zaza ny lalana tokony andianany ary rafa geda izy de tsy hiala am'zany fampenarana zany.7Manapaka akeo amin'ny ory ny mpanan-karena ary ze mindrana de ho andevozin'ze nampindrana. 8Ze mamafy ny tsy rariny de handidy fahorèna ary halazo ny tsorakakazon'ny fahasoseny.9Ze managna maso be fentrana de hotahiana, satria mizara ny mofony am'mahantra izy. 10Roaso ny mpaniratsira de ho lasana ny fifandirana; hijanona ny ady sy ny fanivativana.11Ze tè fo madio sy ze milaza fahasoavana, de hanagna ny mpanjaka ho namany. 12Ny mason'i Yaveh de miambina hatraigny ny fahalalana, fa ny tenin'ny mpamadika de ravainy.13Ny ôlà malaigna magnano hoe: "Misy liona aigny an-dalana! Ho foaty aigny an-kalamanjana za." 14Ny vavan'ny veivavy janga de lavaka laligna; mihetsika am'ze daôly latsaka akao ny fahasosen'i Yaveh.15Miraikitra am'fon'ny zaza ny adalana, nefa ny tsoraka kakazo famaizana hampahafaka an'zany. 16Ze mampahory ny ôlà mahantra de mampitombo ny harenany, ary ho tonga am'fahantrana ze magnome ny mpanan-karena.17Atsikilagno ny sofignao ary mitainô an'reo tenenin'ny hendry ka hampagnikeo ny fahalalako ny fonao, 18satria hahafinaritra an'nao reo raha tandreminao akao aminao, raha vonona akeo am'molotrao izy daôly.19Ho akao amin'i Yaveh noho zany ny fahatokisanao, mampianatra an'nao an'zany za gniany -- anao de anao.20Za ma tsy efa nanoratra ohabolagn'ny fampenarana sy fahalalana telopolo ho an'nao, 21mba hampenarana an'nao ny marina am'reo teny hatokisana reo, mba hagnomezanao valin-teny hatokisana am'reo ze nagniraka an'nao?22Aza mandrava ny malahelo satria mahantra izy, na magnosihosy ny ory akeo am-bavahady, 23fa Yaveh no hisolo vava an'azy reo, ary Izy handroba ny aignan'reo ze nandroba an'azy reo.24Aza misakaiza amin'ny ôlà ze fehazin'ny fahasosena ary aza miaraka am'ze romotra, 25sao anao hianatra ny fanaony ary hahazo fandrika ho an'ny fagnanao.26Aza mety ho isan'ze magninji-tagnana am'fiantôna, na madity trosa. 27Raha tsy managna halô anao, ino ma no hahasakana ny ôlà tsy hialaka ny fandrena handrenao?28Aza magnakisaka ny fefy vato fahizay ze efa napetraky ny razagnareo. 29Mahita ôlà kinga amin'ny asany ma anao? Hitsangana akeo agnolônan'reo mpanjaka izy; tsy hitsangana akei agnolônan'ny ôlà mahazatra izy.
Chapter 23

1Rafa mentotra hihinana miaraka am'mpitondra anao, de diniho tsara ze akeo agnolônanao, 2ary ambagno moso ny tendanao raha ôlà tè mihinan-kanina be lôtra anao. 3Aza magniry lôtra ny hanim-piny, fa hanignin'ny lainga zany.4Aza de miasa mafy lôtra hazaôna harena; hendre tsara hahafantaranao ny fotôna hitsaharana. 5Hamela ny masonao hirehitra am'zany ma anao? Ho dify zany, fa ho hari-elatra ôtra ny voromahery tokô zany ka hagnembagna aigny am'lagnitra.6Aza mihinana ny hahanin'ny ôlà magnano maso ratsy -- ary aza magniry ny hanim-piny, 7fa karazan'ôlà magnisa ny vidin-kanina izy. "Mihinàna ary misotroa!" ozy izy aminao, kanefa tsy aminao ny fony. 8Halônao ze kely nohaninao ary ho very fôgna ny teny fandokanao.9Aza mitare akeo an-tsofign'ny adala, satria hagnamavo ny fahendren'ny teninao izy. 10Aza magnakisaka ny fefy vato fahizay na magnanika ny sahan'ny kamboty, 11fa mahery ny Mpagnavotra an'azy regny ary Izy no hisolo vava an'azy reo hanoitra an'nao.12Ampagnikeo fampenarana ny fonao ary teny fahalalana ny sofignao.13Aza mitsitsy ny fampenarana tsy ho am'zaza, satria raha magnafay an'azy anao, de tsy ho foaty izy. 14Anao no tsy maintsy hitaroka an'azy am'tsoraka kakazo ka hamonjy ny fagnany am'Fiaignan-tsy hita.15Ry zanako, raha hendry ny fonao, de ho faly ihany kô ny foko; 16hiravoravo ny aigny agnatiko rafa milaza ze marina ny molotrao.17Aza avela hialona an'reo mpagnotra ny fonao, fa mitoera am'fahatahôrana an'i Yaveh lalandava. 18Misy tokô ny ho avy ary tsy ho fôgna ny fagnantenanao.19Mitainò -- anao! -- ry zanako, ary hendre ka hampagnarao am'lalan'ny lalana mahitsy ny fonao. 20Aza minamana am'mamolava, na am'fatra-pihinan-kena, 21fa ny mamolava sy ny tendan-kanina ary reo be torimaso de hahantra ary ny faharendrehana no hampitafy an'azy am'voro-damba.22Tainô ny rainao niteraka an'nao ary aza magnano tsinontsino ny reninao rafa antitra izy. 23Vidio ny marina, fa aza mivarotra an'zany; mividiana fahendrena, fampenarana, ary fahazavan-tsaigna.24Hiravoravo tokô ny rain'ny ôlo-marina, ary ze niteraka zaza hendry de ho faly aminazy. 25Ôka ny rainao sy ny reninao ho faly ary ôka hiravoravo ze niteraka an'nao.26Ry zanako, ameo anà ny fonao ary ôka ny masonao hitandrina ny lalako. 27Fa ny veivavy janga de lavaka laligna, ary fangalan-drano maety ny veivavy ratsy fitondran-tegna. 28Mandignindigny ôtrany mpandroba izy ary mampitombo ny isan'reo mpamadika akeo am'zanak'ôlombelona.29Iza no misy ozogna? Iza no managna alahelo? Iza no managna ady? Iza no managna fitarainagna? Iza no managna fery tsy akôry akôry? Iza no managna maso mivara-mena? 30Reo ze mifikitra am'divay, reo ze magnandrana ny divay mifangaro.31Aza mijery ny divay raha mena zany, rafa manganohano akao am'kapôka zany ka miidigna tsimoramora. 32Am'farany zany de magnekitra ôtra ny bibilava ary manindrogna ôtra ny menaragna. 33Hahita ra hafahafa ny masonao ary ny fonao hamôka ra mamôfady.34Ho ôtra ny ôlà ze matory akeo am'ranomasina magnonja anao na matory akeo an-tampon'ny andrin-tsambo. 35"Namely anà regny," ozy anao, "fa tsy vô za. Nitaroka anà regny, fa tsy tsapako zany. Ovena za no hifô? Hikaraka ho sotròna hafa ndre za."
Chapter 24

1Aza mialona an'reo ze ratsy, na magniry ny hiombogna am'njareo, 2satria miteti-dratsy hagnano herisetra ny fonjareo ary milaza fahorena ny molotranjareo.3Am'fahendrena no ananganana tragno ary am'fahazavan-tsaigna no agnorenana an'azy. 4Am'fahalalana no hamenòna harena sarobidy sy mahafinaritra daôly reo efitragno.5Mahery ny mpiadin'ny fahendrena, ary ny ôlon'ny fahalalana de mampitombo ny heriny; 6fa am'torolalana hendry no ahafahanao miady ny adinao ary am'reo mpanolo-tsaigna betsaka no misy fandresena.7Ambo lôtra ho an'ny adala ny fahendrena; tsy manoka-bava akeo am-bavahady izy.8Misy ôlà mitetika hagnano ratsy -- antsovin'ny ôlà hoe tômpon'ny tetika izy. 9Ny tetiky ny adala de fahotana ary ny ôlà de magnano tsinontsino ny mpaniratsira.10Raha tonga malemin'ny tàtra amin'ny androm-pahorena anao, de kely ny herinao.11Avoto reo ze nalaina hovonòna ary arôvo reo ze mivembena akeo am'famonòna. 12Raha mitare anao hoe: "Tsy nahafantatra na ino na ino momba an'zany zahay", Le Ray ze mandanja fo ma tsy hahatakatra an'ze lazainao? Le Ray ze miambina ny aignanao, izy ma tsy mahafantatra an'zany? Andriamanitra ma tsy magnome ny tsiraikaraika avy ze mendrika an'azy?13Ry zanako, mihinàna tintely satria tsara zany, satria mamy ny tintely mitete am'tohon-tintely raha andramana. 14Sahala an'zany ny fahendrena ho an'ny fagnanao -- raha hitanao zany, de hisy hoavy ary tsy ho fôgna ny fagnantenanao.15Aza magnotrika sala ny ôlà ratsy fagna ze manafika ny tragnon'ny ôlo-marina. Aza mandrava ny tragnony! 16Fa lavo impito ny ôlo-marina fa tafarina ihany, fa lavo am'loza ny ôlà ratsy fagna.17Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao ary ôka tsy ho ravoravo ny fonao raha tafintona izy, 18raha tsy zany de ho hitan'i Yaveh ary tsy ho ankasitrahany ka ho alàny aminazy ny fahasoseny.19Aza matàtra noho reo mpagnano ratsy, ary aza mialona ny ratsy fagna, 20fa tsy mba managna hoavy ny ôlà ratsy ary ny jiron'ny ratsy fagna de ho foaty.21Matahôra an'i Yaveh, ary matahôra ny mpanjaka, ry zanako; aza miombogna am'reo ze mikomy aminjareo, 22fa ho tonga tampoka ny loza ho an'azy reo ary iza no mahafantatra hoe hatra akaiza ny faharavana ze ho tonga amin'izy rôy?23Reto ihany kô reo fitenin'ny hendry. Tsy tsara fiangarana am'fitsaran-draharaha am'lalàna.24Na iza na iza mitare am'ratsy fagna hoe: "Ôlo-marina anao", de ho ozognin'reo vahôka ary ho halan'reo firenena. 25Nefa reo ze magnafay ny ratsy fagna de hahazo sitraka ary ho tonga aminjareo ny fagnomezan-tsoa.26Ny ôlà ze mamaly amin-kitsim-po de magnoroka akeo am'molotra. 27Omagno ny asanao akaigny avelagny, ary atôvo vonona ho an'nao aigny an-tsaha ny ra daôly; afaran'zay, de amboaro ny tragnonao.28Aza mijoro vavolombelona hanoitra ny mpiara-belona aminao am'tsy antony ary aza mamitaka am'molotrao. 29Aza mitare hoe: "Ho ataoko aminazy ze efa nataony taminà; ho valeko aminazy arak'ze efa nataony."30Nandalo taigny an-tsahan'ny ôlà kamo za, niseragna tam'tanim-bôloboky ny ôlà tsisy saigna. 31Nagniry taigny daôly taigny ny tsilo; rakotry ny atra ny tany, ary reo vaton'ny manda de rava.32De natazagna za ka nisaigna an'zany; nitazana za ka nahazo anatra. 33Hialaka torimaso kely, faharendremana kely, toho-tagnana kely mba hitsaharana -- 34de hoavy hanitsaka an'nao ny fahantrana, ary reo filànao de ho ôtra ny maramila mirongo fedena.
Chapter 25

1Reto de mbôla ohabolagn'i Solomona kô, ze nadikan'i ôlon'i Hezekia, mpanjakan'i Joda. 2Voninahitran'Andriamanitra ny manafin-dra, fa ny mahafantatra an'zany no voninahitry ny mpanjaka. 3Ôtran'ny haambon'ny lagnitra sy ny alalign'ny tany, no tsy atakaran'ny saigna ny fon'reo mpanjaka.4Alao am'volafotsy ny taim-bolafotsy ka afaka hampiasa ny volafotsy amin'ny asa tagnany ny mpagnano asa am'vy. 5De ôtran'zany kô, alao akeo agnatrehan'ny mpanjaka ny ôlà ratsy fagnà de ho apetraka am'fagnanôvana an'ze marina ny seza fiandrianany.6Aza manandra-tegna akeo am'fagnatrehan'ny mpanjaka ary aza mitsangana am'tôrana vôtokana ho an'ny ôlà ambony.7Tegna tsara raha miteny aminao izy hoe: "Miakara aty," noho ny hagnalany baraka an'nao akeo agnatrehan'ny ôlà manan-kaja raika. 8Aza entina malaky aigny am'fitsarana, ze hitan'ny masonao. Satria ino no ataonao rafa magnano an'ze ahamegnatra an'nao ny mpiara-monina aminao am'farany?9Hiadivo hevitra akeo aminao sy ny mpiara-monina aminao fôgna ny raharahanao ary aza mamôka ny tsiambaratelon'ny hafa, 10fa sao de hitondra fahamegnarana sy laza ratsy momba an'nao le naregny an'nao ka tsy ho laitra ampanginina.11Ny paoma volamena akeo am'fitôrana volafotsy de teny nolazaina tam'fotôna mety. 12Ny peratra volamena na firavaka natao tam'volamena tegna tsara de anatra maha hendry ho an'ny sofigna mitaino.13Ny iraka mahatoky de salan'ny hatsekan'ny oram-panala am'fotôna fandidem-bary ho an'reo ze magniraka an'azy; mampiverigna ny aignan'reo tompony izy. 14Rôndro sy ny rivotra tsisy orana ze mirehareha am'fagnomezana ze tsy nameny.15Amin'ny faharetana no handresena lahatra ny mpanapaka ary ny lela malefaka de mety hanapaka tôlagna.16Raha mahita tintely anao, de ze ampy an'nao fôgna hohanina__raha tsy zany, de hampandô anao, ny fihinanana betsaka lôtra an'zany. 17Aza ampidirina matetika lôtra akao an-dragnon'ny namanao ny tongotrao, mety ho leo an'nao izy ka hankahala an'nao.18Ny ôlà ze mijoro vavolombelona tsy marina momba ny namany de salan'ny kibay, na sabatra, na zana-tsipìka maragnitra ampiasaina amin'ny ady. 19Ny ôlà tsy marina ze itokisanao am'fotônan'ny fahorena de salan'ny nify ratsy na tongotra mibolisatra.20Ôtran'ny ôlà raika ze magnala ny akanjony amin'ny andro mangatseka, na ôtran'ny vinaigra nafangaro tam'sirahazo ze mikalo hira ho an'ny fo malahelo.21Raha nôna ny fahavalonao, de ameo ahanina izy hohaniny, ary raha mangetaheta izy de ameo rano ho sotroina, 22fa hanambatra vain'afo akeo am'lôhany anao ary hamaly soa an'nao i Yaveh.23Ôtran'ny hitondran'ny rivotra avaratra orana tokô, de hamadika ny endrika ho sosy ny lela ze milaza tsiambaratelo. 24Tegna tsara ny mipetraka akeo am'zoron'ny tafon-tragno toy izay miray tragno amin'ny vady mpiady lava.25Ôtran'ny rano mangatseka ho an'ze mangetaheta, ny vaovao mahafaly avy aigny am'firenena alavitra. 26Salan'ny lôharano vôhosihosy sy fantsakana rava ny ôlà marina mikoy akeo agnatrehan'ny ôlà ratsy fagnà.27Tsy tsara ny mihinana tintely be lôtra; ôtran'ny hoe mikaraka voninahitra miampy voninahitra zany. (Fagnamarihina: ny dikanteny am'zao fotôna zao de magnano filazana hafa an'io andininy raika sarotra io). 28Ny ôlà tsy managna fifehezan-tena de salan'ny tanàna rava sy tsisy manda.
Chapter 26

1Salan'ny oram-panala am'lôhataona na ranon'orana am'taom-pamokarana, no tsy maha-mendri-kaja ny adala. 2Salan'ny fody magnembagnebagna sy ny sidintsidina miteligna rafa magnebagna zareo, no tsy hilatsahan'ny ozogna tsy mendrika.3Ny karavasy de natao ho an'ny sôvaly, ny lamboridy de ho an'ny ampondra ary ny tsoraka kakazo de ho an'ny lamosin'ny adala. 4Aza mamaly ny adala araka ny adalàny, fa sao de lasa adala ôtran'azy kô anao.5Valeo ny adala araka ny adalàny, fa sao de mihevi-tegna ho hendry akeo amasony ihany izy. 6Na iza na iza mandefa hafatra am'tagnan'ny adala de manapaka ny tongony ihany sady misotro herisetra.7Ôtran'ny tongotry ny mararin'ny paralysisa ze miraviravy ny ohabolagna akao am-bavan'ny adala. 8Ôtran'ny mamatotra vato amin'ny pilotra ny magnome voninahitra ny adala.9Ôtran'ny tsilo ze milentika akao an-tagnan'ny mamo lava ny ohabolagna akao am-bavan'reo adala. 10Ôtran'ny mpandefa tsipìka ze mandratra ny magnodidigna an'azy daôly ny ôlà ze magnarama adala na magnarama an'ze sendra mandalo.11Ôtran'ny ambô miverigna am'nalôny, de ôtran'ny zany kô ny adala ze mamerigna ny hadalany. 12Mahita ôlà hendry akeo amasony ihany ma anao? Ny adala aza misy azo antenaina noho ny aminazy.13Ny ôlà kamo magnano hoe: "Misy liona akaigny an-dalana! Misy lioana aigny ankalamanjana!" 14Ôtran'ny varavaragna mihodigna am'saviliny, de ôtran'zany kô ny ôlà kamo akeo am-pandrenany.15Ny ôlà kamo de mametraka ny tagnany akao ambileny nefa tsy managna hery hampakarana an'zany akao am-bavany izy. 16Ny ôlà kamo magnano ny tegnany ho hendry akeo amasony ihany noho ny ôlà fito managna fahaiza-manavaka.17Salan'le mitana ny sofign'ny ambô ny mpandalo ze sosy amin'ny ady tsy an'azy.18Ôtran'ny ôlà mitapy ze manipy zana-tsipìka mirehitra, 19ny ôlà ze mamitaka ny mpiara-belona aminazy ary magnano hoe: "Tsy nivazivazy ma za?"20Noho ny tsy fisian'ny kitaigna, de maty ny afo; ary aigny am'ze tsisy mpifosa no tsisy fifandirana. 21Ôtran'ny arigna mampirehitra ny vain'afo sy ny kitaigna amin'ny afo, de ôtran'zany kô ny ôlà tia ady mampirehitra fifandirana.22Ny tenin'ny mpifosa de ôtran'ny ahanina matsiro; midina akao agnatin'ny faritry ny vatana reo. 23Ôtran'ny ankosotra taim-bolafotsy mandrakotra ny vilany tany ny molotra mirehitra sy ny fo ratsy.24Izay mankahala ny hafa de manarogna ny fihetseham-pony am'molony ary mitahiry fitaka akao agnatiny ihany. 25Hiresaka amim-pahasoavana izy, kanefa aza mino an'azy, satria misy fahavetavetana fito akao am-pony. 26Na de vôsarogna fitaka aza ny fankahalany, de haharihary akeo am'fiangonana ny faharatseny.27Ze mangady lavaka no ho latsaka akao am'zany ary ny vato de hikode akeo am'ze nanosika an'zany. 28Ny lela mandainga de mankahala ny ôlà ze torotoroin'zany ary ny molotra mandoka mitondra faharavana.
Chapter 27

1Aza mirehareha amin'ny amaraigna, fa tsy fantatrao ze mety havôkan'ny gniany. 2Ôka ôlon-kafa no handoka an'nao fa tsy ny vavanao ihany; ny vahiny fa tsy ny molotrao ihany.3Saigno ny havesatry ny vato sy ny lanjan'ny fasika__ ny fikatsian'ady ataon'ny adala de mavesatra noho reo rôy reo. 4Maseka ny havignirana ary misafôka ny hasosena, fa iza no afaka hitsangana akeo agnolônan'ny hasarotam-piaro?5Aleo anatra sambimaso toy izay fitia asitrika. 6Azo atokisana ny ratra ataon'ny namana, fa ny fahavalo de mety hagnoroka mitafotafo an'nao.7Ny ôlà ze nihinana mandra-pahavoky de mandà na de ny rôgin-tintely aza, fa ho an'ny ôlà nôna kosa, de mamy ny ra-mangidy daôly. 8Ôtran'ny vorogna ze mirenireny miala amin'ny akaniny ny ôlà ze maniasia miala am'tragnony.9Ny ranomagnitra sy emboka magnitra de mampifaly ny fo, fa ny hamamian'ny namana de tonga avy am'toroheviny amin-kitsim-po. 10Aza mahafoy ny namanao sy ny rain'ny namanao, ary aza mankaigny am'tragnon'ny rahalànao amin'ny andro-pahavoazanao. Tegna tsara ny namana ze ankeky noho ny rahalà ze alavitra.11Haregny, za ry zanako, de ampifalio ny foko; de hamaly an'le magneso anà za. 12Ny leilà mahira-tsaigna de mahatazagna ny loza ka misitrika, fa ny ôlà bado de magnatogna fôgna ka vôn'zany.13Alao ny akanjon'ze nagnome antoka am'vahiny, ary tano ho antoka zany rafa magnome antoka am'veivavy ratsy fitondran-tegna izy. 14Na iza na iza magnome tso-drano ny namany am'feo mahery amin'ny andro ampôlakeka, de raisina ho ôtran'ny ozogna zany tso-drano zany!15Ny vady mpifanditra de salan'ny ora-mikija amin'ny andro fahavaratra; 16ny mitana an'azy de ôtran'ny mitana rivotra, na miezaka mamihina menaka am'tagnanao ankavanana.17Ny vy mandragnitra vy; ôtran'zany, ny leilà mandrangitra ny namany. 18Ze mikarakara ny kakazon'aviavy de hihinana ny vôny, ary ze miaro ny tompony de hamem-boninahitra.19Salan'ny talinjona agnaty ny rano amin'ny endriky ny ôlà, de ôtran'zany kô ny fon'ny ôlà amin'ny ôlà. 20Ôtran'ny Fiaignan-tsy hita sy ny Fandringanana tsy afa-po mandrakizay, de ôtran'zany ny mason'ny ôlà tsy ho afa-po mandrakizay.21Ny memy ho an'ny volafotsy ary ny fatagna fandrendrehana ho an'ny volamena; de am'fiderana an'azy no hisapana ny ôlà. 22Na de totoinao am'fanoto aza ny adala__miaraka am'vary__de mbôla tsy hiala aminazy fôgna ny adalany.23Atôvo azo antoka fa fantatrao ny toetran'ny ondrinao ary saigno ny momba an'reo biby tahirizinao, fa24 ny harena de tsy mandrakizay. Maharitra ho an'ny taranaka daôly ma ny satro-boninahitra? 25Rafa miala ny ahitra ary mitsiry ny solofony, de angonina avy aigny an-tanety ny ahitra ho an'reo ondry aman'osy.26Reo zanak'ondry reo no hagnome ny fitafianao ary reo osy no hagnonitra ny saran'ny tany. 27Hisy rononon'osy ho an'ny ahaninao__ahanina ho an'ny tokantragnonao__ary ahanina ho an'ny mpanomponao vavy.
Chapter 28

1Milefa ny ratsy fagnà ne de tsisy ôlà magnenjika an'azy avy, fa ny ôlo-marina de sahy salan'ny liona tanora. 2Noho ny fandikan-dalàn'ny tany, de managna mpanapaka maro izy, fa raha miaraka amin'ôlà managna fahazavan-tsaigna sy fahalalana, de haharitra ela zany.3Ny ôlà mahantra ze mampahory ôlà mahantra hafa de ôtran'ny orana mivatravatra ze tsy mamela ahanina. 4Reo ze mahafoy ny lalàna de mandoka ny ôlà ratsy fagnà, fa reo ze mitandrina ny lalàna de hiady aminjareo.5Ny ôlàn-dratsy de tsy mahatakatra ny rariny, fa reo ze mikaraka an'i Yaveh no mahatakatra ny ra daôly. 6Tegna tsara ho an'ny ôlà mahantra ny mande am'fahitsiana, noho ny ho an'ny ôlà mpanankarena ze meloka am'lalany.7Ze mitandrina ny lalàna no zanaka hendry, fa ze naman'ny tendan-kanina mahamegnatra ny rainy. 8Ze mihary ny harenany am'zana-bola be lôtra de manangona ny harenany ho an'ny hafa ze hiantra ny ôlà mahantra.9Raha misy ôlà manentsin-tadigny tsy hitaino ny lalàna, na ny fivavahany aza mamparikoriko. 10Na iza na iza mamily lalana ny mahitsy am'lalàn-dratsy de hilatsaka akao am'lavany fôgna, fa ny tsisy tsigny no hanagna lova tsara.11Ny ôlà manan-karena de magnano an'azy ho hendry akeo amasony , fa ny ôlà mahantra ze managna fahazavan-tsaigna no hahita an'azy. 12Rafa misy fandresena ho an'ny ôlo-marina, de misy voninahitra leibe, fa rafa mitsangana ny ratsy fagnà, de misitrika ny ôlà.13Ze manitrika ny fahotany tsy ho ambinina, fa ze mitsotra ka mahafoy an'reo no hahazo famindram-po. 14Sambatra ze miaigna am'fanehom-pagnajana mandrakariva, fa ze daôly magnamafy ny fony de ho tra-pahorena.15Salan'ny liona mitrerogna na bera mihaza ny mpanapaka ratsy fagnà akeo amin'ny ôlà mahantra. 16Ny mpanapaka tsy ampy fahazavan-tsaigna de mpampahory lozabe, fa ze mankahala ny tsy fahamarinana no hampitombo ny androny.17Raha meloka ny ôlà raika satria nandatsaka ràn'ôlà, de ho sesitany mandra-pahafatiny izy ary tsisy ôlà hamonjy an'azy. 18Na iza na iza mande am'fahitsiana de ho arovana, fa le raika ze mande am'lala-meloka no ho lavo tampoka.19Ze miasa ny taniny de hanagna ahanina betsaka, fa na iza na iza magnaraka ny zava-pôgna de ahazo fahantrana be. 20Ny ôlà mahatoky de hanagna fitahiana leibe, fa ze maika mahazo harena de tsy ho afa-maigna.21Tsy tsara ny mizaha tavan'ôlà, fa na de ho an'ny sombina mofo hagnanôvan'ny ôlà ra tsy manjary. 22Ny ôlà kahihitra de magnenjika harena malaky, nefa tsy fantany fa ny fahantrana no ho tonga akeo aminazy.23Na iza na iza magnanatra ôlà, de hahita sitraka betsaka avy aminazy noho ny avy am'le raika mandoka an'azy am'lelany afaran'zany. 24Na iza na iza mandroba ny rainy sy ny reniny ary miteny hoe: "Tsy fahotana zany," de naman'ze ze mpandratra izy.25Ny ôlà tsy mahonon-tegna magnetsika fifandirana, fa ze matoky an'i Yaveh no hambinina. 26Ze matoky ny fony de adala, fa na iza na iza mande am-pahendrena de hilefa ny loza.27Ze magnome ny mahantra de tsisy ra mampahory an'azy, fa na iza na iza mihirim-belona aminjareo de handray ozogna be de be. 28Rafa mitsangana ny ôlà ratsy fagnà, de misitrika ny ôlà, fa ny ôlà ratsy fagnà de ho fôgna, ary hitombo ny ôlo-marina.
Chapter 29

1Ny ôlà ze anarina matetika kanefa magnamafy hatoka de ho rava akao agnatin'ny fotôna foika tsisy fagnasitranana. 2Rafa mitombo ny ôlo-marina, de mifaly ny ôlà, fa rafa ny ôlà ratsy fagnà ny mpanapaka, de misento ny ôlà.3Na iza na iza tia ny fahendrena de mahafaly ny rainy, fa ze miaraka am'mpijangajanga de mandany ny harenany. 4Mametraka ny tany am'rariny ny mpanjaka, fa ze mangataka tsolotra kosa de mandratra an'zany.5Ny ôlà ze mandoka ny namany de mamelatra harato ho an'ny tongony. 6Akao am'fahotan'ny ratsy fagnà ny fandrika, fa ny ôlo-marina kosa de mihira ary mifaly.7Ny ôlo-marina de mihevitra ny adin'ny ôlà mahantra; ny ôlà ratsy fagnà de tsy mahatakatra ny fahalalana ôtran'zany. 8Mampisavoritaka ny tanàna ny mpaniratsira, fa reo ze hendry kosa de mampivily fahasosena.9Rafa miady hevitra amin'ny adala ny ôlon-kendry raika, de romotra izy ary mihomehy, ary tsisy fitsaharana. 10Ny lian-drà de mankahala an'ze tsy manan-tsigny ary mifofo ny aignan'ny marina.11Ny adala de mampiseho ny hasoseny daôly, fa ny ôlon-kendry kosa de mitàna an'zany ary mampitogny ny tegnany. 12Raha mitaino lainga ny mpitondra, de ho ratsy fagnà daôly reo manam-pahefany daôly.13Ny ôlà mahantra sy ny mpampahory de mitovitovy, fa Yaveh de magnome hazavana ho an'ny mason'izy rôy reo. 14Raha mitsara ny mahantra am'fahamarinana ny mpanjaka raika, de hitoetra mandrakizay ny seza fiandrianany.15Ny tsorakazo sy ny anatra de magnome fahendrena, fa ny zanaka afaka tam'fitsipika de mahamegnatra ny reniny. 16Rafa akeo am'fahefana ny ôlà ratsy fagnà, de mitombo ny fandikan-dalàna, fa ny ôlo-marina kosa de hahita ny fionganan'ny ôlà ratsy fagnà.17Fihezo ny zanakao de hagnome fitsaharana an'nao izy; hitondra hamamiana am'fiaignanao izy. 18Aigny am'ze tsisy fahitana ara-paminaniana de mahabiby ny ôlà, fa tahiana ze mitandrina ny lalàna.19Tsy ho voahitsy am'teny ny andevo, fa na de mahatakatra izy; de tsisy valiny. 20Jereo ane ny ôlà ze pentsam-bava? Misy fagnatenana bebe kokô ho an'ny adala noho ny aminazy.21Ze mampihanta ny mpanompony hatramin'ny fahatanorany, de hanagna olagna aigny am'faran'zany. 22Ny ôlà sosy magnetsika ady ary ny tompon'ny fahavignirana hagnano fahotana maro.23Ny avognavogn'ny ôlà raika mampihetry an'azy, fa ze manana fagnà mietry kosa de hamem-boninahitra. 24Ze mizara am'mpangalatra de magnary tegna; maregny ny ozogna fa tsy miteny na ino na ino.25Ny tàtran'ny ôlà de mahatonga fandrika, fa ze matoky an'i Yaveh no ho vôaro. 26Maro reo ze mikaraka ny tavan'ny mpanapaka, kanefa avy amin'i Yaveh ny rariny ho an'ny ôlà raika.27Ny ôlà tsy marina de fahavetavetana ho an'ny ôlo-marina, fa ze mahitsy lalana kosa de maharikoriko ny ôlà ratsy fagnà.
Chapter 30

1Ny tenin'i Agora zanak'i Jake__fampitana: nitory tamin'i Itiela io leilà io, tamin'i Itiela sy Okaka: (Fagnamarihina: reo dikanteny sasagny de misy hoe: "Nambaran'io leilà io hoe: Reraka za Andriamanitra ô! Reraka za. Tsy afaka magnano na ino na ino za). 2Ôtran'ny biby za mihoatra ny ôlà ary tsy managna ny fahazavan-tsaign'ny ôlombelona za. 3Tsy nianatra fahendrena za, na managna ny fahalalana an'le Iray Masina.4Iza no niakatra sy nidigna taigny an-dagnitra? Iza no nanangona ny rivotra taigny an-tagnany? Iza no navôangona ny rano takeo am'lambany? Iza no nagnorina ny faran'ny tany daôly? Iza no agnarany, ary iza no agnaran-janagny? Fantatrao tokôtra zany!5Voazaha toetra daôly ny tenin'Andriamanitra; ampinga ho an'reo ze mialoka aminazy Izy. 6Aza magnampy am'teniny, sao ho faiziny anao, ka ho hita fa mpandainga.7Ra rôy no angatahiko aminao, ary aza lavina dieny mbôla tsy maty za: 8Alaviro anà ny zava-pôgna sy ny lainga. Aza amena anà na ny fahantrana na ny harena, fa ameo anà fotsiny ny ahanina ze ilaiko. 9Fa raha managna be lôtra za, de mety handà an'nao ka hiteny hoe: "Iza ma Yaveh?" Na raha tonga mahantra za, de mety hangalatra ka handoto ny agnaran'ny Andriamanitro.10Aza magnendrikendrika ny mpanompo akeo agnatrehan'ny tompony, sao hagnozona an'nao izy ary ho vôtana ho meloka anao.11Misy taranaka magnozogna ny rainy sady tsy misaotra ny reniny. 12Misy taranaka milaza an'azy ho madio , kanjo tsy vôsasa tam'lotony avy.13Misy taranaka manandratra ny masony, ary endrey ny fisandratan'ny hodi-masony! 14Misy taranaka ze sabatra ny nifiny, ary ny vazagny salan'ny antsy, mba handrapahany ny mahantra hiala am'tany ary ny ory tsy ho akeo am'zanak'ôlombelona.15Ny dinta manan-janaka vavy rôy: "Ameo, ameo," ozy ny fihiakiakany. Misy ra telo ze tsy mety afa-po, efatra ze tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy zay": 16de ny Fiaignan-tsy hita; ny kibo momba; ny tany tsy vonton-drano; ary ny afo no tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy zay!" 17Ny maso ze maniratsira ny ray sady tsy mety manaja reny, de ho tsaingohan'ny goaika aigny an-tsaha ny mason'zany, ary ho lanin'ny voromahery izy.18Misy ra telo ze mahagaga anà lôtra, eny efatra ze tsy takatro: 19ny lalan'ny voromahery aigny an-dagnitra; ny lalan'ny bibilava aigny am' vatolampy; ny lalan'ny sambo aigny ampovôn'ny ranomasina; ary ny lalan'ny leilà miaraka am'gaombavy.20Zao no fomban'ny veivavy janga: mihinana izy ka mamafa ny vavany ary miteny hoe: "Tsy nagnano ratsy za."21Mihovitrivitra akeo ambin'ny ra telo ny tany, ary ambanin'ny ra efatra no tsy zakany: 22de ny mpanompo raha tonga mpanjaka, ny adala raha voky ahanina; 23ny veivavy ankahalaina raha ampakarina; ary ny mpanompo vavy raha maka ny tôran'ny tompo vaviny.24Ra efatra aketo an-tany no kely kanefa hendry tokôtra: 25ny vitsika de voahary tsy matanjaka, kanefa magnandroka ny ahaniny am'fahavaratra zareo; 26ny hyraky ny vato de tsy voahary mahery, kanefa magnano ny tragnony agnaty vatolampy.27Ny valalagna de tsy managna mpanjaka, kanefa mirindra milahatra tsara ny diany. 28Ary ny amin'ny antsiantsy, de azonao tazomina am'tagnanao rôy zany, kanefa de hita aigny am'reo lapan'ny mpanjaka.29Misy ra telo ze tsara famindra ary efatra ze tsara ny fomba fandehany: 30ny liona, ze tegna mahery am'reo bibidia__tsy miemotra na amin'ny ino na amin'ny ino zany; 31ny akoholahy mpiady; ny osilahy; ary ny mpanjaka ze akeo agnilany ny maramilany.32Raha adala anao, nanandra-tegna, na raha nisaigna hagnano ratsy__de atôvo akeo am-bavanao ny tagnano. 33Ny fagnontsankontsagnana ny ronono no mahatonga ronono mandry ary ôtran'ny fivoahan-drà amin'ny orogn'ny ôlà raha ahodikodigna zany, de ôtran'zany kô ny asa atao amin-kasosena de miteraka ady.
Chapter 31

1Reo tenin'i Lemoela mpanjaka__anatra nampianarin'ny reniny an'azy. 2Ino, ry zanako? Ino zany, ry zanaky ny kiboko? Ino no karanao, ry zanaky ny voadiko? 3Aza amena ny veivavy ny herinao, na ny lalanao ho an'reo ze mamotika ny mpanjaka.4Zany de tsy ho an'ny mpanjaka, ry Lemoela, tsy ho an'reo mpanjaka ny fisotroana divay, na koa ho an'ny mpitondra mba hagnotany hoe: "Aiza ny zava-pisotro mahery?" 5Fa sao tsy tsarôvanjareo ze efa voadidy, ary hamadika ny marina ho am'fahorena daôly izy.6Ameo tôaka ny ôlà ze efa ho foaty ary divay ho an'reo agnaty fahorena mangidy. 7Hisotro izy ary hagnadino ny fahantrany ary tsy tsarôvany ny fahoreny izy.8Mitenena ho an'reo ze tsy afaka miteny, ho an'ny adin'ze daôly efa ho foaty. 9Mitenena mafy ka mitsarà araka ny rariny ary misoloa vava ho an'ny ôlà mahantra sy ory.10Iza no afaka mahita veivavy tegna tsara? Ny tombagny de mandombolombo ny firavaka. 11Ny fon'ny vadiny mitoky aminazy, ary tsy hahantra mihitsy izy. 12Magnano zava-tsoa ho an'azy izy ary tsy magnano ratsy amin'ny andro daôly hiaignany.13Misafidy volon'ondry sy rongony izy, ary miasa an-kafalena am'tagnany. 14Salan'reo sambon'ny mpivaro-mande izy; avy alavitra no itondrany ny ahanina. 15Mifôha izy raha mbôla alina ary magnome ahanina ho an'ny ankohonany, ary mizara ny asa ho an'reo mpanompo vaviny.16Izy no mizaha ny saha ary mividy an'zany, am'vokatry ny tagnany no amboleny vôloboka. 17Mampitafy hery ny tegnany izy ary mampatanjaka ny sandriny.18Mahafantatra an'ze mety ho tombony tsara ho an'azy izy; mandritra ny alina tontolo ny jirony de tsy maty. 19Apetragny akeo amin'ny ampela ny tagnany, ary tanany ny fitazonam-bohavoha.20Magnatsotra ny tagnany amin'ny ôlà ory izy; mamelatra ny tagnany amin'ny ôlà mahantra izy. 21Tsy matàtra oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, satria ny ankohonany daôly de mitafy volon'ondry mena.22Magnambôtra firakotra ho an'ny fandrenany izy, ary mitafy akanjo rongony manify volomparasy. 23Ny vadiny no fantatra akao am'vavahady, rafa mipetraka miaraka am'lôholon'ny tany izy.24Magnambôtra akanjo rongony fotsy izy ary mivarotra an'reo, ary namatsy samboady ho an'reo mpivarotra izy. 25Mitafy ny hery sy ny voninahitra izy, ary mihomehy am'fotôna ho avy izy.26Manokatra ny vavany am'fahendrena izy ary akeo am'lelany ny lalàn'ny hatsaram-pagnà. 27Miambina ny lalan'ny ankohonany izy ary tsy mihinana ny mofon'ny fahalaignana.28Mitsangana ny zanagny ka magnantso an'azy hoe sambatra, ary midera an'azy ny vadiny, magnano hoe: 29"Maro ny veivavy efa nagnano ny tsara, nefa mandombolombo an'azy daôly anao."30Fitaka ny fahatsaram-bika, zava-pôgna ny hatsaram-tarehy, fa ny veivavy matàtra an'i Yaveh, no ho deraina. 31Ameo an'azy ny vokatry ny tagnany ary ôka ny asany hidera an'zy aigny am'vavahady.

Ecclesiastes

Chapter 1

1Reto no tenen’ny mpitoriteny, le taranak’i Davida sy mpanjakan’ i Jerosalema. 2Ny mpitoriteny milaza an'zareo."Ôtrany enton’ny zavona, ôtrany tsio-drivotra ,ny fanjavognan'ny ra daôly ,mamela fangnontanena betsaka. 3Ino no tombontsoa azon'ôlombelona avy amin'ny asa daôly ze nandreraka an'azy takeo ambany masoandro?4Ny taranaka raika lasana, ary ny taranaka raika hafa tonga, kanefa ny tany mitoetra mandrakizay. 5Miposaka ny masoandro, ary milentika zay ary malaky hiverigna aigny am'tôrana ze hiposahany ndre.6 Mitsoka magnatsimo ny rivotra ary mangnano faribolana mihodigna mankaigny avaratra, mande mihodigna am'lalany hatraigny ary miverigna ndre.7Reo ogny daôly mikorigna aigny an-dranomasina, fa ny ranomasina tsy mba mety fegno. Aigny am'ze tôrana handianan'reo ogny, no handianan'zany ndre. 8Nanjary mandreraka ny ra daôly, ary tsisy afaka magnazava an'zany. Ny maso tsy afa-po am'ze tazagny, na ny sofigna tanteraka am'ze regniny.9Ze daôly efa takeo de mbôla ho akeo, ary ze daôl efa vita no mbôla ho atao. Tsisy ra vaovao aty ambany masoandro. 10Misy ra ma ze mety lazaina hoe: Ra-vaovao ty'? Ze daôly misy de efa nisy hatram' fotôna ela, nandritr'reo taona ze tonga ela talôn-tsika. 11Ôtrany tsisy ho mahatadidy an'reo ra ze nitranga tam'fotôna talô, sy reo ra ze nitranga vô vetivetika ary reo ze mbôla hitranga amin'ny ho avy de tsy ho tadidy kô."12Zah le Mpitoriteny, ary efa mpanjaka takeo amin'Israely taigny Jerosalema.13 Nampiasa ny saignako za mba hianatra sy hikaroka am-pahendrena ny ra daôly ze natao aigny ambanin'ny lagnitra. Zany fikarakaràna zany de asa mavesatra ze namen'Andriamanitra an'reo zanak'ôlombelona mba hisasarana. 14Efa hitako avokô ny asa daôly ze natao aty ambany masoandro, ary indro, izy daôly reo de mitsavovogna sy fiezahana hisambo-drivotra.15 Ny meloka de tsy mety hahitsy! Ny tsy tonga tsy azo isaina!16Nitare tam'foko za nagnano hoe:"Za de nahazo fahendrena leibe nohon'reo daôly ze talôko taigny Jerosalema. Ny saignako de nahita fahendrena sy fahalalana lehibe."17 Ka nampiasa ny foko za mba hahalala fahendrena sy fahaverezan-tsaigna ary hadalana ihany kô. Tonga za mba hahatakatra fa fikasàna ny hisambo-drivotra ihany kô zany. 18Fa am'fitobahan'ny fahendrena no mampisy fahorena be, ary ze mampitombo fahalalana de mampitombo alahelo.
Chapter 2

1Ozy za takao am-poko hoe: "Avia zao, hitsapa an'nao amin'ny hafalena za. ka hankafizo ny fahafinaretana."2 Fa, tso-drivotra mandalo ihany zany. Ozy za tam'fimemezana hoe: " Fahadalana zany," ary tamin'ny fahafinaretana hoe: "Ino no ilàna an'zany?"3Nizaha ny takao am-poko za hoe akory no hahitako fahafinaretana am'divay. Avelako taritin'ny saignako am' fahendrena za na de mbôla vôtana tamin'ny hadalana ihany aza. Te hahita ze tsara ho an'ny ôlà mba hatao aty ambanin'ny lagnitra za mandritra an'reo andro hiaignany.4Nagnatanteraka ra geda be za. Nanangana tragno ho anà za ary namboly takeo am'reo tanim-bôloboka.5 Nanangana zaridaigna sy saha ho an'ny tegnako za; namboly an'reo karazagna kakazo daôly fihinam-boa takeo am'zany za.6 Namorona farihin-drano mba hamatsena rano an'reo ala ze nahageda an'reo kakazo za.7Novidiko reo andevolahy sy reo andevovavy; nanagna andevo teraka takao an-dapa za. Nanagna aomby maro sy ondry aman'osy ho biby fitahirizana ihany kô za, betsaka mandombolombo noho ny an'reo mpanjaka ze nanapaka takeo alôko takao Jerosalema. 8Nagnangona volafotsy sy volamena, ny harenan'reo mpanjaka sy reo faritany ho an'ny tegnako ihany kô za.Nagnana mpihira lahy sy vavy ho an'ny tegnako manokana za - reo fahafinaretan'ny zanak'ôlombelona - ary vadikely betsaka. (Fagnamarina: Reo dikan-teny taty afara nandika ny tapagny faragny am'ty andininy ty tam'fomba samihafa: " Reo ra daôly ze tèn'ny ôlà." "Reo vadikely sy reo ze daôly nahafinaritra an'reo leilà". sns )9De manjary leibe sy mpanakarena mandombolombo noho reo daôly ze takeo alôko takao Jerosalema za, ary ny fahendreko nitoetra taminà. 10Na ino na ino nirian'ny masoko, de tsy notanako taminjareo. Tsy nitana ny foko tam'fahafinaretana daôly za, satria ny foko de nifaly tamin'ny asako daôly ary ny fahafinaretana no valosoko tamin'ny asa daôly.11De nitazagna an'reo asa daôly vitan'ny tagnako za, sy reo fisasarana ze nataoko, fa ny ra daôly de entona sy fiezahana hisambo-drivotra ndre. Tsisy tombotsoa tam'ze taty ambany masoandro.12 Avy akeo de nitodika za mba hihevitra ny fahendrena, ary ny fahaverezan-tsaigna sy ny fahadalana. Fa ino no azon'ny mpanjaka ho avy handimby ny mpanjaka atao, ze tsy mbôla tanteraka?13De nanomboka nahay nazava ny saignako fa ny fahendrena de azaôna tombony kokô noho ny fahadalana, sahala ny fahazavana tsara kokô noho ny aizigna.14 Ny ôlon-kendry de mampiasa ny masony akeo am' lôny mba hitazagnana ny lalana andianany, fa ny adala de mande am' maizigna, na de fantatro aza fa lahatra mitovy ihany no ho an'ny ôlà daôly15De ozy za takao am-poko hoe: "Ze mahazo ny adala , de mahazo anà kô. Ka ino no naha samihafa an'zany raha ho tegna hendry za?" De nofeheziko takao am-poko hoe: "Ty kô de entoa fôgna ihany." 16Fa ny ôlon-kendry, sahala ny adala , de tsy ho tsarôvana ela. Ho avy ny andro ze tsy hatsarôvana ny ra daôly. Ny ôlon-kendry maty sahala ny mahafaty ny adala17Ka de tsy te fiaignana za satria reo asa daôly ze vita takeo ambany masoandro de ratsy taminà. Zany de satria ny ra daôly de entona sy fikasàna hisambo-drivotra. 18Halako avokô reo fisasarako daôly ze nesako taigny ambany masoandro satria de tsy maintsy mamela an'regny ho an'ze ôlà ho avy magnaraka anà za19Fa iza no mahafantatra na ho ôlon-kendry izy na ho adala? Nefa izy de ho tompo eran'ny ra-daôly ambany masoandro ze natsangan'ny fisasarako sy ny fahendreko. Entona ihany kô zany. 20Noho zany de nanomboka namoy tam'reo asa daôly ze nataoko takeo ambany masoandro za.21Fa mety misy ny ôlà ze misasatra amin'ny fahendrena, amin'ny fahalalana, ary amin'ny fahaiza-magnano, fa avelany ho an'ny leilà ze tsy magnano na raika tam'reo aza ny ra-daôly hanagnany. Zany kô de entona sy loza gedabe. 22Fa ino no tombotsoa azon'ôlà ze miasa mafy sy miezaka magnano am' fony reo asany akeo ambany masoandro?23 Isan'andro de marary sady mapiasa saigna ny asany, ka de tsy mahita fitsaharana ny fagnany amin'ny alina. Zany kô de entona.24Tsisy ra-tsara amin'ôlà mihôtra ny hoe mihinana sy misotro fôgna ary afa-po am'ze tsara amin'ny asany. De nahita za fa avy am' tagnan'Andriamanitra zany marina zany. 25Fa iza no afaka hihinana na iza no afaka hanagna fahafinaretana isan-karazany ankôtra ny avy amin'Andriamanitra?26Fa ze mahafaly an'Azy, de homen'Andriamanitra fahendrena sy fahalalana ary fifalena. Kanefa, ny mpagnota de ameny ny asa fagnangonana sy fitarihizana mba hahafahany magnome an'zany ho an'ny ôlà ze mahafaly an'Andriamanitra. Zany kô de agnisan'ny entona sy fikasàna hisambo-drivotra.
Chapter 3

1Fa ny ra daôly de efa vôtondro am' fotônany, ary ny vanim-potôna ho am' tanjona isanisany ambany lagnitra.2 Akao ny fotôna ahaterahana sy fotôna ahafatesana, fotôna hambolena ary fotôna hamokarana,3 fotôna hamonòna ary fotôna hagnasitranana, fotôna handrodagnana ary fotôna hananganana.4Akao ny fotôna hitomagnena ary ny fotôna himemezana, fotôna hisaonana ary fotôna handihizana,5 fotôna hagnariam-bato ary fotôna hagnangonam-bato, fotôna hamihinana ôlon-kafa, ary fotôna handrarana ny famihinana6Akao ny fotôna hikaran-dra ary fotôna hijanonana mikarakara, fotôna hifikirana amin-dra ary fotôna hagnarena an'zany, 7fotôna handrovitana ary fotôna hanjairana, fotôna hanginana ary fotôna hitaravana8Akao ny fotôna hitiavana ary fotôna hankalana, fotôna hedivana ary fotôna hevanana. 9Ino no tombony azon'ny mpiasa amin'ny asany?10 Efa hitaho ny asa ze namen'Andriamanitra ho tanteran'ôlombelona11Efa nagnano ny ra daôly hifagnaraka am'fotônany Andriamanitra. Efa nampitoetra ny mandrakizay takao am-pon'reo ihany kô Izy. Efa tsy afaka hatakatra ny asa leibe ze nataon'Andriamanitra ny ôlombelona hatram' fetombony ka hatram' fefarany.12Fantatro fa tsisy ra tsara ho an'ny ôlà noho ny mifaly sy magnano ra tsara hatraigny raha mbôla velona kô izy - 13ary ny ôlà daôly de tokony hihinana sy hisotro, ary tokony hahay hifaly am' tsara ze avy amin'ny asany daôly. Fagnomezana avy amin'Andriamanitra zany.14Fantatro fa ze daôly ataon'Andriamanitra de maharitra mandrakizay. Tsy afaka ampena zany na angalana, satria Andriamanitra no efa nagano an'zany mba agnatognan'ôlà an'Azy am' voninàtra. 15Ze daôly misy de efa nisy, ze daôly hisy de efa nisy. Andriamanitra de nagnano ny ôlombelona hikarakara an'reo zava-mifina. (Fagnamarihina: Raha tokony hoe: "Andriamanitra de nagnano ny ôlombelona hikarakara an'reo zava-miafina reo dikan-teny vaovao hafa mandika io an-dalana io am' fomba maro samihafa)16Efa nahita ny faharatsena ze aty ambany masoandro za, ze tokony hisy ny rariny, ary akeo am' tôran'ny fahamarinana, de ny faharatsena no atao. 17Ozy za agneritreritra hoe: "Ho tsarain'Andriamanitra am' fotônany ny ôlo-marina sy ny ratsy fagna ny am' raharaha sy ny asany daôly."18Ozy za agneritreritra hoe: "Mizaha fagna ny ôlombelona Andriamanitra mba hanehôny am' njareo fa ôtrany biby zareo."19Fa aminjareo de sahala ny manjo ny zanak'ôlombelona sy ny manjo ny biby. Ny fahafatesan'ny raika de sahala ny fahafatesan'ny raika hafa. Mitovy ny fofon'aignan'izy daôly. Tsisy tombotsony ho an'ny ôlombelona akeo am'biby. Tsy fofon'aigna fôgna ma ny ra daôly?20 Ny ra daôly de samy mizotra am' tôrana raika. Ny ra daôly de avy am' vovoka, ary ny ra daôly de hiverigna vovoka.21Iza no mahafantatra na miakatra aigny agnambo ny fagnan'ny ôlombelona ary midigna aigny ambanin'ny tany ny fagnan'ny biby? (Fagnamarihina: Reo dikan-teny sasagny vaovao magnano hoe: "Iza no mahafantatra ny fagnan'ny ôlombelona, ze miakatra aigny agnambo, ary ny fagnan'ny biby, ze midigna aigny am' tany?" 22Ka de tsapako ndre fa tsisy ra tsara ho an'ny ôlombelona noho ny mifaly amin'ny asany, fa zany no asa nanendrena an'azy. Iza no afaka hitondra an'azy miverigna mba hijery ze mitranga avy aty afara.
Chapter 4

1Nandinika ndray mande momba ny fahorena daôly ze vita takeo ambany masoandro za. Ary ny ranomason'ny ôlà nampahorena, ary zareo de tsy nanagna na iza na iza mba hampionona an'azy! Takeo an-tagnan'ny mpampahory an'azy reo ny hery,ary tsisy na raika aza hampionona an'njareo.2Noho zany de miarahaba ny ôlà maty za, reo ze efa maty fa tsy ny miaigna, reo ze mbôla velona. 3Kanefa, sambatra noho izy ro tonta ny ôlà ze tsy mbôla hary, ze tsy mbôla nahita ny asa ratsy daôly ze vita takeo ambany masoandro.4Ary hitako fa ny asa tsiraikaraika sy ny fahaiza-magnano tsiraikaraika de manjary fitsiriritan'ny mpiara-monina hafa. Zany ihany kô de entona sy fikasàna hisambo-drivotra.5Ny adala mamoritra ny tagnany ary tsy miasa, ka de ny nofony ihany no hahaniny. 6Fa tsara kokô ny tombony ndraiki-tagnana amin'ny asa mangina noho ny ro-tagnana amin'ny asa ze miezaka misambo-drivotra.7Avy akeo de nandinika ny momba ny zava-pôgna maro ndre za, fifanjavôna betsaka takeo ambany masoandro. 8Misy ny karazan-deilà ze mipetra-drerika. Tsy magnana na iza na iza izy, na zanaka lahy na rahalà. Tsisy fefarana ny asany, ary ny masony tsy mba afa-po amin'ny harena azo. Nagnontany tegna izy hoe: " Ho amin'iza no hiasàko mafy ary handavan'ny tegnako ny fifalena?" Zava-pôgna ihany kô zany,toe-javatra ratsy.9Tsara ny ôlà rôy miasa noho ny raika; raha miaraka zareo de misy tambiny tsara ny fisasaragny. 10Fa raha lavo ny raika, de afaka magnarina ny namany ny hafa. Kanefa, ny alahelo de magnaraka an'le raika ze rerika rafa lavo izy ka tsisy na raika aza magnarina an'azy. 11Raha rôy no miara-matory, de mafana zareo, kanefa ahôna no hampafana rerika ny raika?12Ny leilà rerika no mety ho resy, fa ny rôy mety afaka manoitra fanafina, ary ny kofehy telo tsy ho mora tapaka.13Tsara kokô ny mahantra fa tanora hendry ôtrany ze mpanjaka antitra adala ze tsy mahafantatra ntsony ny fomba hitandrignesana. 14Marina zany na de lasana mpanjaka aza ny gaondà raika avy aigny am-ponja, na de mbôla nateraka hahantra akao am'fanjakany aza izy15Kanefa, za de nahita ôlà daôly ze velona sy mande ambany masoandro magnandefa ny tegnanjareo mankaigny am' gaondà hafa ze nitsangana sahala ny mpanjaka. 16Tsisy fefarana ho an'ny ôlà daôly ze magniry ny hankatò ny mpanjaka vaovao, fa akao afara kely de maro aminjareo no tsy hidera an'azy ntsony. Entona tokô zany toe-javatra zany ary fikasàna hisambo-drivotra.
Chapter 5

1Tandremo ny fitondran-tenanao rafa mankaigny an-dragnon'Andriamanitra anao. Mandiana aigny mba hitaino. Ny mitaino de tsara noho ny adala manolotra sorona nefa tsy mahalala fa ratsy no hataonjareo akeo am' fiaignana.2Aza malaky lôtra mitare am'vavanao, ary ôka ny fonao tsy halaky lôtra hampakatra ze raharaha daôly akeo agnolôn'Andriamanitra. Aigny an-dagnitra Andriamanitra, fa anao aty an-tany, ka ôka ho vitsy ny teninao. 3Raha be lôtra ny ra ataonao sy mampiahiahy an'nao, de hagnonofy ratsy tokô anao. Ny habetsak'reo teny lazainao, no habetsaky ny fahadalana mety ho lazainao.4Rafa mivoady amin'Andriamanitra anao, de aza mivagnavagna am' fagnifanao an'zany, fa tsy sitrak'Andriamanitra reo adala. Atôvy ze nagnanaovanao voady fa ho ataonao.5 Aleo tsy mivoady toy zay magnano voady ze tsy tanterakao akory6Aza avela hampagnota ny vatagnao ny vavanao. Aza mitare amin'ny iraky ny mpisorogna hoe: "Fahadisoana igny voady igny." Nagnino no mampasosy an'Andriamanitra am'fagnanaovana voady tsy izy, mikatsika an'Andriamanitra hanimba ny asan'ny tagnanao? 7Fa akao am' nofy betsaka, sahala ny akao am'teny maro, de misy entona tsisy varany. Ka matahôra an'Andriamanitra8Raha hitanao hampahorena sy ravaina am'fitondrana marina sy mahitsy akao am' faritaninao ny mahantra, de aza gaga raha tsisy ôlà mahalala, satria misy ôlà mahery ze miambina an'reo akeo ambany fahefanjareo, ary misy ôlà ambony kokô aza manapaka am'njareo.9 Fagnampin'zany, an'ny ôlà daôly ny vokatry ny tany, ary ny mpanjaka mihitsy no miaka ny vokatra am'reo saha.10Ny ôlà daôly ze tè volafotsy de tsy ho afa-po am'volafotsy, ary ny ôlà daôly ze tè harena de mikaraka mihôtra lalandava. Zany, ihany kô de entona.11 Ôtray hitomboan'ny fagnambinana, de sahala an'zany kô ny ôlà ze mihinana an'zany. Ino no tombon-tsoa an'ny tômpony amin'ny harena afa-tsy ny mijery an'zany am' masony?12Mamy ny torimason'ny ôlà miasa, na mihinana kely na betsaka izy, fa ny harenan'ny ôlà mpanan-karena de tsy mamela an'azy hatory tsara13Misy ratsy mahory ze efa hitako taty ambany masoandro: de harena angonin'ny tômpony, fa mefara am' fahorena ihany.14 Raha very am' vitan-dratsy ny harenan'ôlà mpanan-karena, ny zanagny lahy, le nateragny, de tavela tsy managna na inona na inona akeo an-tagnany.15Ôtra ny ôlà teraka nibilaka avy akao an-kibon-dreniny, de mibilaka ôtr'zany ihany kô no hialany am'ty fiaignana ty. Tsy afaka hitondra na ino na ino aigny an-tagnany avy amin'ny asany izy. 16Ny ratsy mahory hafa de sahala ny ôlà tonga tokô, ka ôtran'zany hôno tsy maintsy handianany. Ka ino ny tombony azon'ny ôlà amin'ny fiasàna ho an'ny rivotra? 17Mandritra ny androny de mihinana amin'ny aizigna izy ary ory fatratra amin'ny aretina sy ny fahasosena18Ze efa hitako ho tsara sy mety de ny mihinana sy misotro ary mankafy ny tombony avy amin'ny asantsika daôly, raha miasa ambany masoandro mandritra ny ty androm-piaignana ze efa namen' Andriamanitra an'ntsika. Fa zany no anjaran'ôlà.19Ny ôlà ze namen'Andriamanitra fanagnana sy harena ary fahaizana mba handray ny anjarany ka hifaly amin'ny asany - fagnomezana avy amin'Andriamanitra zany. 20Fa tsy mahatsiaro matetika an'reo androm'piaignany izy, satria ataon'Andriamanitra reraka am'reo ra ze tèny atao.
Chapter 6

1Misy ratsy ze efa hitako takeo ambany masoandro, ary mafy ho an'ny ôlà zany. 2Mety hagnome fanagnana, harena, ary voninàtra amin'ny ôlà raika Andriamanitra mba tsy ho ory na ino na ino am'ze irìny ho an'ny tegnany izy, kanefa tsy amen'Andriamanitra fahafahana ankafy an'zany. Fa kosa, ôlon-kafa no mampiasa an'reo ra an'azy. Zava-pôgna zany, fampahorena ratsy.3Raha misy leilà managna zanaka an-jatony sy miaigna taona maro, mba ho maro ny andron'reo taonany, fa raha tsy afa-po am' tsara ny fony ary tsy halevigna am-boninàtra izy, de ozy za hoe ny zaza maty takeo am-pahaterana de tsara kokô noho izy. 4Na de teraka am' zava-pôgna aza ny zaza sala an'zany ary maty akao amin'ny haizigna, ary mitoetra fanafina ny agnarany.5Na de tsy mahita ny masoandro aza io zaza io na tsy mahafantatra na ino na ino, de managna fitsaharana mihôtra noho zany leilà zany izy. 6Na de ho velona roarivo taona aza ny ôlà nefa tsy mianatra mankafy an' reo ra tsara, de mande aigny am'tôrana mitovy amin'ny an'ôlà hafa daôly ihany izy.7Ny asan'ny ôlà daôly de ho an'ny vavany, nefa tsy mbôla afa-po amin'ny finanany. 8Eny tokô, ino no tombon-tsoa anagnan'ôlà hendry amin'ny adala? Ino no tombon-tsoa hanagnan'ny mahantra na de mahafantatra ny fomba fihetsika magnolôna ny ôlon-kafa aza izy?9Tsara kokô no afa-po am'ze hitan'maso noho ny magniry ze karan'ny homana mandende, ze entona sy handrana hanoherana rivotra ihany kô. 10Ze ra nisy de efa namena ny agnarany, ary efa fantatra hoe ôtra ny ino ny ôlombelona. Noho zany de nanjary tsisy varany ny mifamaly am'ze mpitsara maherin'ny daôly. 11Arakaraka ny habetsaky ny teny vôlaza, no hitomboan'ny zava-pôgna, ka ino no tombon-tsoan'zany amin'ôlà?12 Fa iza no mahafantatra ze tsara ho an'ny ôlà akeo am'fiaignany mandalo, andro voaisa ze hiaignany ôtra ny aloka? Iza no afaka milaza amin'ny ôlà ny am'ze ho avy aigny ambany masoandro rafa avy mandalo izy?
Chapter 7

1Ny laza tsara de tsara mandombolombo ny ranomagnitra lafo vidy, ary ny andro ahafatesana de tsara mandombolombo ny andro haterahana. 2Tsara kokô ny mande aigny am'tragno misy fisaonana noho ny aigny amin'ny tragno misy fifalena satria ny fisaonana de tonga amin' ôlà daôly am' faran'ny fiaignana, ka tokon'ny raisin'ôlà velona am-po zany.3Tsara kokô ny alahelo noho ny fimemezana, fa afaran'ny endrika malahelo no hiaven'ny hafalen'ny fo. 4Ny fon'ny hendry de akao an-dragno misy fisaonana, fa ny fon'ny adala kosa akao an-dragno misy fifalena.5Tsara kokô no mitaino ny fibedesan'ny hendry noho ny mitaino ny hiran'reo adala. 6Fa sahala ny fipôpôkan'ny tsilo miretra ambany vilagny, de ôtra ny zany kô ny fimemezan'reo adala. Zany , ihany kô, de zava-pôgna7Ny fangalana an-keriny de azo antoka fa mahalasana adala ny hendry, ary ny kolikoly mandratra ny fo8Tsara kokô ny fiafaran'ny raharaha raika noho ny fendoany; ary ny ôlà maharitra am-pagna de tsara kokô noho ny mirehareha am-pagna. 9Aza mora sosy ny fagnanao, satria ny hasosona de mitoetra akao am-pon'reo adala.10Aza mitare hoe: "Nagnino ny andro talô no tsara kokô noho ny reto?" Fa zany de tsy noho ny fahendrena raha magnontany an'io fagnontanena io anao.11Ny fahendrena de tsara noho reo ra-sarobidy ze nolovaintsika avy tam'reo razantsika. Mitondra ho an'reo ze mahita ny masoandro izany. 12Fa ny fahendrena de mitondra fiarôvana ôtra ny vola ze afaka mitondra fiarôvana, nefa ny tombon-tsoan'ny fahalalana de ny hoe magnome fiaignana ho an'ze managna an'azy ny fahendrena.13Saigno reo asan'Andriamanitra: Iza no afaka hagnitsy ny ra daôly namelohany?14Raha tsara ny andro, de miaigna am-pifalena am'zany hatsaràna zany, fa raha ratsy ny andro, de saigno ny momba an'ty: Andriamanitra de efa nambela an'izy rôy hiaraka. Noho zany antony zany, de tsisy mpahita ny ra daôly ze mitranga aty afarany.15Efa natazagna ra betsaka za nandritra an'reo andro keliko tsisy varany. Misy reo ôlo-marina ze levona na de akeo aza ny fahamarinanjareo, ary misy reo ôlà ratsy fagna ze ela velona na de akeo aza ny haratsenjareo. 16Aza magnamarin-tegna, hendry akeo amasonao. Nagnino no tokony hanimba ny tegnanao anao?17Aza ratsy fagna na medaladala lôtra. Nagnino anao no tokony ho foaty melôn'ny fotôna? 18Tsara raha mitana an'io fahendrena io anao, ary tsy tokony hamela ny fahamarinana hande. Fa ny ôlà ze matàtra an'Andriamanitra de hatanteraka an'reo adidiny daôly. (Fagnamarihina: Raha tokony hoe: "Hahita an'reo adidiny daôly", misy am'reo dikan-teny taty afara sasagny managna fandikàna hafa an'ty andalan-tsoratra sarotra ty)19Mahery ny fahendrena akao amin'ny ôlon-kendry, mandombolombo noho ny mpanapaka folo akao am'tanàna raika.20 Tsisy ôlo-marina magnano soa sy tsy mbôla nagnota zany mihitsy aketo an-tany.21Aza mitaino ny teny daôly ze vôlaza, satria mety handregny ny mpanomponao hagnozogna an'nao anao. 22Ôtran'zany kô, fantatrao ihany fa efa nagnozona matetika ny hafa takao am-ponao ihany anao23Reo daôly reo de efa vôporofoko tam'fahendrena. Ozy za hoe: "Ho hendry za," nefa mihôtra ny tokony ho izy zany. 24Ny fahendrena de alavitra sy laligna. Iza no afaka hahita an'zany? 25Nagnova ny foko mba hianatra sy handinika ary hikaroka ny fahendrena sy reo fagnazavana ny ra-misy za, ary hahatakatra fa adala ny ratsy ary ny adalana de fahavirezan-tsaigna.26Hitako fa mangidy kokô noho ny fahafatesana ny veivavy ze feno fandrika sy harato ny fony, gadra vy ny tagnany. Na iza na iza mankasitraka an'Andriamanitra de ho afaka aminazy, fa reo mpagnota kosa ho lasany27"Saigno ze efa hitako", ozy ny Mpitoriteny. "Nagnampy valim-pikarohana raika tamin'ny hafa za mba hahita fagnazavana ny ra-misy. 28Zany no mbôla karôko, nefa tsy hitako zany. Mba nahita ôlo-marina raika takeo amin'ny arivo za, nefa tsy nahita veivavy raika tam'reo daôly reo29Ty ihany no efa hitako: fa Andriamanitra de namotona ny ôlombelona ho mahitsy, nefa nande nikaroka fahasahiranana betsaka zareo"
Chapter 8

1Iza no ôlon-kendry? Iza no mahafantatra ny dikan'reo ra-miseho akeo am' fiaignana? Ny fahendrena akeo amin'ny ôlà de mahatonga ny tareny miramiragna, ary miova ny hamafin'ny tareny.2Magnatoro hevitra an'nao za mba hankatô ny didin'ny mpanjaka noho ny fifantan'Andriamanitra hiaro an'azy. 3Aza malaigna am' fagnatrena an'azy, ary aza mifikitra am' fangnanaovan-dratsy, satria mpanjaka magnano ze daôly iriny. 4Manjaka ny tenin'ny mpanjaka, ka iza no hitare aminazy hoe: "Ino ty ataonao?"5Reo ze mitandrina an'reo didin'ny mpanjaka de mangala hasosena. Ny fon'ny ôlon-kendry de mahafantatra ny fahendrena sy ny fotôna tsara hihetsehana. 6Fa misy valiny marina sy fotôna hamelana ny ra daôly, satria mafy reo fahoren'ôlombelona. 7Tsisy mahafantatra ze ho avy magnaraka. Iza no afaka hilaza aminazy ze ho avy?8Tsisy mpanapaka am' fofon'aignany ka hampijanona ny fofon'aigna, (Fagnamarihina: Ny dikan-teny sasagny magnano hoe: Tsisy mpanapaka am' rivotra ka hampijanona ny rivotra.) ary tsisy manan-kery amin'ny andron'ny fahafatesany. Tsisy afaka am' tafika mandritra ny ady, ary ny faharatsena de tsy hamonjy an'reo ze andevozin'zany. 9Nahafantatra an'zany daôly zany za; nampihatra ny foko tamin'ny asa tsara daôly ze natao taty ambany masoandro za. Misy ny fotôna ze hampahoren'ny ôlà ny hafa am' ratran'zany. (Fagnamarihina: Ny dikan-teny sasagny taty afara magnano hoe: "Ho an'ny ratrany ihany!" Ny andalan-teny hebreo de azo adika am'reo rôy reo)10Ka hitako ny ratsy fagna nalevigna am-pahibemaso. Nalaina tam' faritra masina zareo ka nalevigna ary noderain'reo mponina takao am' tanàna ze nagnanaovanjareo ny asa ratsiny. Zany ko de tsisy varany. (Fagnamarihina: Reo dikan-teny sanagny taty afara de managna fandikana hafa kô amin'io andininy sarotra io: "Nahita ôlà ratsy fagna tonga sy lasana ho akeo am' fitôrana masina za. Nitare tam-pireharehana takeo am' tanàna momba an'reo ra efa nataonjareo, zany ihany kô de tsisy varany ." Reo dikan-teny hafa magnano hoe: "Nahita an'reo ôlà ratsy fagna tonga sy lasana ho akeo amin'ny tôrana masina za. Noderaina takeo an-tanàna zareo tam'reo ra vitany. Zany ihany kô de tsisy varany.) 11Raha tsy tanteraka malaky ny didim-pitsarana hanoitra ny heloka be vava ratsy, de mitôma ny fon'ôlombelona hagnano ratsy zany.12Na de magnano ratsy in-jato aza ny mpagnota ary mbôla ela velona, de fantatro fa tsy agnino reo ze magnaja an'Andriamanitra, ze magnome voninàtra ny fagnatreny miaraka aminjareo zany. 13Fa tsy ho tsara ny an'ny ôlà ratsy fagna zany, tsy haharitra ny fiaignany. Reo androny de sala talinjogna mandalo satria tsy magnome voninàtra an'Andriamanitra izy.14Mbôla misy zava-pôgna hafa - ra-hafa vita taty ambonin'ny tany. Reo ra mitranga amin'ny ôlo-marina de sahala ny fitrangan'reo amin'ôlà ratsy fagna, ary sahala ny itrangan'reo ra am' ratsy fagna no itrangan'zany amin'ôlo-marina. Ozy za hoe zava-pôgna ihany kô zany. 15Ka mitaky ny hafalena za, satria tsisy ra tsara azon'ôlà aty ambany masoandro noho ny mihinana sy misotro ary mifaly. De ny hafalena no hagnaraka an'azy aigny amin'ny asany amin'ny androm-piaignany daôly ze namen'Andriamanitra an'azy ambany masoandro.16Raha namefy ny foko hahafantatra ny fahendrena za sy hahafantatra ny asa ze atao aketo ambonin'ny tany, de vita tsy amin-torimaso amin'ny alina na amin'ny antoandro matetika ny asa, 17de nandinika an'reo asan'Andriamanitra daôly za, ary ny ôlà de tsy afaka hahatakatra ny asa ze vita teto ambany masoandro. Na de miasa sahala ny ino aza ny ôlà mba hahita valiny, de tsy hahita an'zany zareo. Na mety hino aza ny ôlon-kendry fa mahafantatra, de tsy tegna mahafantatra aby izy.
Chapter 9

1Fa mieritreritra ny momba an'zany daôly ze tan-tsaignako za mba hahatakatra momba ny ôlo-marina sy ny ôlon-kendry ary ny asanjareo. Akeo am-pelatagnan'Andriamanitra daôly izy reo. Tsisy na iza na iza mahafantatra na ho fitiavana na ho fankahalana no ho avy amin'ôlà raika.2Mitovy ny lahatry ny ôlà isanisany. Mitovy ny lahatra mandigny ny ôlo-marina sy ny ôlà ratsy fagna, ny tsara, (Fagnamarihina: Reo dikan-teny sanagny am'zao fotôna zao de mandika ny dikan-teny ze magnano hoe: "Ny tsara sy ny ratsy." Feno tanteraka ny fehezanteny, am'zany. Reo mpandika teny de mety hanapa-kevitra ny hila tahaka.) ny madio sy ny maloto, ary ze magnano sorogna sy ze tsy magnano sorogna. Ho foaty ny ôlo-marina, de ho ôtra ny zany ihany kô ny mpagnota. Ho foaty ze mifanta, de ho sahalan'zany kô ny ôlà ze matàtra magnano fifantana3Misy lahatra ratsy ho an'ny ra daôly ze atao aketo ambany masoandro, lahatra raika ho an'ny tsiraikaraika. Feno ratsy no fon'ôlombelona, ary akao am-aponjareo ny fahadalana raha mbôla velona kô zareo. Ka afaran'zany de mankaigny am' maty zareo.4Ze daôly miombogna am' velona daôly, de misy fagnantenàna, sahala ny mahatsara kokô ny ambô velona noho ny liona maty. (Fagnamarihina: Reo dikan-teny sanagny taty afara de magnano hoe: "Fa ino no tsara? Ho an'ny velona daôly, de zao no azo antoka: ny ambô velona de tsara kokô noho ny liona maty.") 5Fa ny ôlombelona de mahafantatra fa ho foaty zareo, fa ny maty tsy mahafantatra na ino na ino. Tsy managna valisoa ntsony zareo, satria efa hadino ny fahatsarôvana an'njareo.6Ny fitiavana, ny fankahalana, ary ny fagnirinjareo de efa nanjavona hatry ny ela. Tsy hanagna tôrana am' ra daôly ze atao aty ambany masoandro ntsony zareo.7 Mandiana am' lalanao, hohano am-pifalena ny mofonao, ary sotroy am'fo faly ny divainao, satria Andriamanitra de magneky ny fankalazàna an'reo asa tsara. 8Ôka ho fotsy lalandava ny akanjonao, ary ôka ho vôhosotra amin'ny menaka ny lônao.9Miaignà am-pifalena miaraka am' vady tènao amin'ny androm-piaignanao daôly mandalo fôgna, de reo andro ze namen'Andriamanitra an'nao taigny ambany masoandro mandritra an'reo andronao mandalo fôgna. Zany no valisoanao am' fiaignana nohon'reo asanao taigny ambany masoandro. 10Na ino na ino azon'ny tagnanao ho atao, de hiasa amin'ny herinao zany satria tsisy asa na fagnazavana na fahalalana na fahendrena aigny am' Fiaignan-tsy hita, ze handihananao.11Efa nahita ra sasantsasagny mahalina takeo ambany masoandro za: Ny hazakazaka de tsy an'ny ôlà malaky fandihanana. Ny ady de tsy an'ny matanjaka. Ny mofo de tsy an'ny ôlon-kendry. Ny harena de tsy an'ny ôlon'ny fahazavan-tsaigna. Ny sitraka de tsy an'ny ôlon'ny fahalalana. Fa kosa, ny fotôna sy ny vintagna de mentreka amin'izy daôly.12 Fa tsisy na iza na iza mahafantatra ny fotôna hafatesany, sahala ny hazan-drano ze takatra akao amin'ny haraton'ny fahafatesana, na ôtra ny vorogna ze azon'ny fandrika. Sahala an'reo biby, ny ôlombelona de gadra akao am' fotôn-dratsy ze tonga tampoka amin-jareo.13Efa nahita fahendrena takeo ambany masoandro ihany kô za ôtra ny hoe leibe taminà zany.14 Nisy tanàna kely raika ze vitsy ôlà takao aminazy, ary nisy mpanjaka leibe tonga nagnano fahirano an'zany ary nagnorina tôrana fekarana gedabe takeo agnilan'zany. 15Ary nisy mahantra raika, leilà hendry hita takao am'le tanàna, ze nagnavotra an'le tanàna tam' fahendreny. Nefa taty afara kely, de tsisy nahatsiaro io leilà mahantra io ntsony.16Ka feheziko amin'ny hoe: "Tsara kokô ny fahendrena noho ny tanjaka, kanefa natao tsinotsino ny fahendren'le ôlo-mahantra, ary tsy regny reo teniny."17Ny teny malefaky ny hendry de regny tsara kokô noho ny fitrerogn'ze mpanapaka akeo amin'ny adala. 18Ny fahendrena de tsara kokô noho reo fitaovam-pedena amin'ny ady, kanefa ny mpagnota raika de mety handrava betsaka.
Chapter 10

1Ôtra an'reo fatin-dalitra ze mahamaimbo ny ra-magnitra, de ôtra an'zany kô no ahafahan'ny fahadalana kely mandresy ny fahendrena sy ny fankatoavana. 2Ny fon'ny ôlon-kendry de mirona miankavanana, fa ny fon'ny adala mirona miankave. 3Rafa mande midigna aigny an-dalana ny adala, de tsy ampy saigna izy, magnamarina amin'ôlà daôly fa adala izy.4Raha miakatra manoitra an'nao ny fihetseham-pon'ny mpanapaka, aza lôsana ny asanao. Ny fitoniana de afaka mampangigna ny fahasosena leibe.5Fa misy ny ratsy ze hitako takeo ambany masoandro, karazana hadisôna ze avy am' mpanapaka: 6Reo adala de namena tôram-pitarihana, raha reo ôlà mahômby namena tôrana ambany.7 Nahatazagna andevo nitikin-tsôvaly za, ary reo ôlà mahômby nande tongotra taigny am' tany ôtra ny andevo.8Ze daôly mangady lavaka de mety ho lavo akao am'zany, ary na ovena na ovena ôlà mandrodana manda de mety ho kikerin'ny bibilava izy. 9Ze daôly manapaka vato de mety ho vôratran'zany, ary ny ôlà ze manapaka kakazo de tandindon'zany.10Raha madombo ny lelana moso, ary tsy mandrangitra an'zany ny ôlà, de tsy maintsy mampiasa ny heriny bebe kokô izy, fa ny fahendrenaa de magnome tombony ho amin'ny fahombiazana. 11Raha magnekitra melôn'ny nanasena aody ny bibilava, de tsy tombony ho an'ny mpagnano aody.12Reo tenin'ny vavan'ny ôlon-kendry de hatsaram-pagna, fa ny molotry ny adala de miteligna an'azy ihany.13Sahala ny teny manomboka mikorigna avy akeo am-bavan'ny adala, no hivohan'ny fahadalana, ary am' farany ny vavany de mikorigna fahaverezan-tsaigna ratsy. 14Ny adala mampitombo teny, fa tsy mahafantatra an'ze ho avy. Iza no mahafantatra an'ze magnantona avy akao afarany?15Ny fisasaran'ny adala de magnavesatra an'njareo, ka tsy fantany na de ny lalana mankaigny an-tanàn-dehibe aza.16Loza ho an'nao, ry tany, raha gaondà no mpanjakanao, ary raha manomboka magnano firavoravôna amin'ny ampôlakeka reo mpitarika an'nao! 17Fa sambatra anao, ry tany, raha ny zanaka lahin'reo mendri-kaja no mpanjakanao, ary mihinana am' fotônany reo mpitarika an'nao, ho tanjaka, fa tsy ho amin'ny hamamôna!18Fa nohon'ny hakamôna no nampilatsaka ny tafo, ary nohon'ny fahalaignan'ny tagnana no mampitete ny tragno. 19Magnomagna hahanina ho amin' fimemezana ny ôlà, ny divay mitondra fankalazana fiaignana, ary ny vola mameno ny filan-dra daôly.20Aza magnozogna ny mpanjaka, na de akao an-tsaignanao aza, ary aza magnozogna ny ôlà manan-karena akao amin'ny efitra fatorenao. Fa ny voro-manidina mety hitondra an'reo teninao, ze daôly managn'elatra de afaka magnaparitaka ny raharaha
Chapter 11

1Alefaso aigny agnambon'ny rano ny mofonao, fa ho hitanao ndre zany afaka andro maromaro. 2Rasao amin' ôlà fito zany, na ôlà valo aza, fa tsy fantatrao ze loza ho tonga am' tany. 3Raha feno ranon'orana reo rôndro, de magnafôgna an'zany aigny am' tany regny, ary raha milavo magnatsimo ny kakazo raika na magnavaratra, na aiza na aiza hilavôzan'zany, de akeo no hitoeran'zany.4Mety tsy hamboly ny ôlà ze mitazagna ny rivotra, ary mety tsy handidy ny ôlà ze mitazagna an'reo rôndro. 5Ôtran'nao ze tsy mahafantatra akory ny lalan'ny rivotra, na ny nitomboan'ny tôlagn'ny zaza takao an-kobon'ny mitondra ivagna, (Fagnamarihina: Reo dikan-teny sanagny taty afara magnano hoe: "Ôtran'nao tsy mahafantatra velively ny lalan'ny fagnahy mankaigny am' tôlagn'ny zaza akao an-kibon'ny mitondra ivagna") ôtran'zany kô anao tsy afaka mahatakatra ny asan'Andriamaniatra, ze namorona ny ra daôly.6Amboleo amin'ny ampôlakeka reo voanao; hatramin'ny hariva, miasà am'tagnanao araka ze hilaina, fa tsy fantatrao ze mety hagnambina, na ampôlakeka na hariva, na ity na iry, na samy ho tsara daôly izy roa tonta. 7Mamy tokô ny mazava, ary ny ra mahafinaritra ny maso ny mahita masoandro. 8Raha misy ôlà miaigna an-taonany maro, ôka izy ho faly am'regny daôly regny, nefa ôka izy hisaigna ny momba an'reo andron'ny aizigna ho avy, fa ho maro regny. Ny ra daôly hitranga de entona manjavona.9Mifale, ry tanora, am' fahatanoranao, ary ôka ny fonao hifaly amin'ny andron'ny fahatanoranao. Araho ny fagnirina tsaran'ny fonao, sy ze daôly hitan'ny masonao. Kanefa, fantaro fa hitsara an'nao am'reo ra daôly reo Andriamanitra. 10Alaviro am' fonao ny hasosena, ary aza miraharaha ny fanaintaignana akeo am' vatagnao, satria ny hatanoràna sy ny heriny de entona ihany.
Chapter 12

1Tsarôvo ihany kô ny Mpahary an'nao amin'ny andron'ny fahatanorànao, melôn'ny heven'ny andro sarotra, ary melôn'ny heven'ny taona ze hitaravanao hoe: "Tsy managna fankasitrana ho an'njareo za,"2 atôvo zany deny mbôla tsy hody aizigna ny hazavan'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary deny mbôla tsy miverigna ny rôndro mainty afaran'ny orana.3Am'zany fotôna zan de mangovitra ny mpiambina ny lapa, sy manjoko ny leilà matanjaka, ary mijanona ny veivavy ze mitoto satria vitsy zareo, ary reo ze mitazagna akeo am-baravaran-kely de tsy mahatazagna tsara ntsony.4Am'zany fotôna zany de mirindrina ny varavaram-be aigny am' lalana, ary mijanona ny feon'ny fivelezam-bary, ho taitran'ny feom-borogna ny leilà, ary malazo ny fihiran'ny feon'ny tovovavy.5Am'zany fotôna zany de manomboka matàtra ny hambosany sy reo aigny an-dalana ny leilà, ary mamelatra ny kakazony amygdala, sy miaraka mifampitarika reo valalagna, ary tsy mandaitra reo fagnirìna vôjagnahary. Mande aigny am' tragnony mandrakizay ny leilà ary midigna an-dalam-be reo mpisaona.6Tsarôvo ny Mpahary an'nao melôn'ny hatapan'ny kofehy volafotsy, na hahavaky ny vile volamena, na hanorotoro ny siny amin'ny lôtaona, na hahatapaka ny kodiaran-drano akeo am'lava-drano, 7deny mbôla tsy miverigna am'tany ze neveny ny vovoka, ary ny fagna miverigna amin'Andriamanitra ze nagnome an'zany.8"Ny enton-javona," ozy ny Mpitoriteny: "Zava-pôgna de zava-pôgna ny ra daôly."9 Ny Mpitoriteny de hendry ary mampianatra fahalalana ny ôlà izy. Nianatra sy nandinika ary nandrindra ohabôlagna betsaka izy.10Ny Mpitoriteny de nikaraka ny hanoratra fampiasàna mazava tsara, teny mahitsin'ny fahamarinana. 11Reo tenin'ôlon-kendry de ôtra ny tsindrogna. Sala an'reo fantsika tsara lentika reo tenin'reo tompo akao am' fagnangonan'ôhabolanjareo, ze nampianarin'ny mpiambina ondry raika.12Anaka, mahafantara ra misimisy kokô: ny fagnanaovana boky maro, ze tsisy fefarany ary ny fianarana be de mitondra faharerahana ho an'ny vatagna13Efa regny ny fefaran'ny raharaha afaran'ny ra daôly, de tsy maintsy matàtra an'Andriamanitra anao ary mitandrina an'reo didiny, fa zany no adidin'ôlombelona daôly. 14Fa Andriamanitra no hitsara ny asa daôly, hatram'ra-misitrika daôly, na tsara zany na ratsy.

Song of Solomon

Chapter 1

1Ny tonon-kiran'reo tononkira ze an'i Solomona. Le gaombavy mikoragna am'le tiany, 2Ôka mba hagnoroka anà am'fagnorohan'ny vavanao anao, satria tegna tsara noho ny divay ny fitiavanao. 3Ny menaka fagnanôvanao de magnim-pofona; ny agnaranao de ôtran'ny ranomagnitra voaidigna, ka tian'reo gaombavy anao. 4Ento miaraka aminao za, ary hiazakazaka tsika, le gaombavy mikoragna am'tegnany fa nentin'ny mpanjaka tao agn'efitra gony za, le gaombavy mikoragna am'tegnany hoe faly aho; mifaly ny momba an'nao za; ôka za hankalaza ny fitiavanao ; tsara noho ny divay zany. Voagnahary am'reo veivavy hafa ny mitia anao.Le veivavy mikoragna am'reo veivavy hafa.5Mivalomainty za fa mahate ho tia, anareo ry zanaka vavin'reo leilan'i jerosalema_mivalomainty salan'ny lain'i Kedara, maha te ho tia salan'reo lamban'i Solomona. 6Aza mijery anà fa mivalomainty za, satria azon'ny masoandro sosy taminà reo zanaka lahin'ny reniko, nataonjareo mpiambina ny tanim-boaloboka za, nefa ny tanim-boaloboka tsy mba nambesako. Le veivavy miresaka am'le tiany.7Lazao anà ry le tiako, aiza no nagnomezan'i ahanina ho an'reo ondry aman'osinao? Aiza no hampandrenao an'reo ondry aman'osinao rafa antoandro ? Nagnino za no tokony ho salan'ny ôla mirenireny agnatin'ny ondry aman'osin'ny namanao? Namaly an'azy le tiany.8Raha tsy Fantatrao, ry tegna tsara am'reo veivavy, de araho ny lalan'ny ratsy ondry aman'osiko, ary fahano akeo ankekin'reo lain'reo mpiambina ondry ny zanak'osinao.9Amparitahaiko am'soavaly vavy akeo am'reo soavaly mpitarika ny kalesan'i Farao anao, ry tiako. 10Mahatsara ny tarehinao reo firavahana, ny vozognao am'reo firavaka voatohy. 11Hagnanovako firavaka volamena misy kitrony volafotsy anao. Le veivavy mikoragna am'tegnany.12Raha mbôla nandry teo ampandreny ny mpanjaka, de namerovero ny nardako. 13Aminà ny malalako de ôtran'ny miora am-pehezana ze mandany ny alina akao an-tratrako. 14Aminà ny malalako de ôtran'ny vognin'ny kofera akeo an-tanim-boalobok'i En-jedy. Le tiany miresaka amin'azy.15Indro, tsara tarehy anao ry tiako ; indro, tsara tarehy anao, salan'ny voromelala ny masonao, le veivavy miresaka am'le tiany.16Indro, tsara tarehy anao ry malalako, tegna tsara tarehy. Ny zava-maniry maitso mavana de atao fandrenantsika. 17Ny andrin'ny tragnontsika de sampagna kakazo sedera sy sampagna kesika sakamandimbin'ny tragnontsika.
Chapter 2

1Za de voninkazo aigny am'lemaka fôgna, Lilia aigny am'lohasaha fôgna kô, le leila de mikoragna amin'azy. 2Salan'ny lilia akeo am'reo tsilo, de ôtran'zany anao, ry tiako, akeo am'reo zanaka vavin'reo ôlon'ny tanànako. Le veivavy de mikoragna am'tegnany.3Salan'ny kakazo peso ze akeo am'reo kakazon'ala, de ôtran'zany kô ny ôlon-tiko akeo am'reo gaondahy. Mipetraka akeo ambanin'ny aloka amin'ny hafaliam-be za, ary ny vôny de mamy akeo am-bavako. 4Mitondra anà aigny am'tragno am'fanasam-be izy, ary ny fanevany aminà de fitiavana, le veivavy mikoragna am'le tiany.5Velomo am'mofo mamy misy voaloboka za ary velombelomo am'peso, fa mararim-pitia. Le veivavy de mikoragna am'tegnany. 6Ny tagnany ankave de akeo ambanin'ny lôhako, ary ny tagnany ankavanana de namina anà, le veivavy de miresaka veivavy hafa.7Teko mba hampagnantena anareo, ry zanaka vavin'i jerosalema am'gazela sy reo serfa vavy aigny an-tsaha, fa anareo de tsy hanafaka ny firaisana ara nofonay raha tsy tapitra zany. Le veivavy de mikoragna am'tegnany.8Zany ny feon'le teko! Endrey igny avy igny izy, mandingandingana an'reo Tendrombotro, mitsambikina am'reo tanety. 9Le malalako de salan'ny gazela na diera mbôla tanora; indro, izy de mitsangana akao ambadiky ny rindrignay, mitazagna akeo am'varavaran-kely, mipoitra am'mangarakaraka.10Mikoragna aminà le malalako magnano hoe: "Mitsangàna, ry le tèko; Ry le tsara tareko ndao hiaraka aminà.11 Indro, efa lasana ny ririnina; efa nanangana ny orana ary efa lasana.12Efa mitsiry am'tany reo voninkazo, efa tonga ny fotôna fandrantsagnana sy ny siokan'reo vorogna, ary ny feon'reo domona de regny aty am'tanintsika. 13Magnamasina ny aviavy reo kakazon'aviavy, ary mamogny reo voaloboka mamôka ny hagnitra zareo. Mitsangana ry tèko, ry le tsara tarehy ary andao.14Ry voromailalako, akeo antsefatsefaky ny vatolampy, akeo antsefatsefaky ny Tendrombotra sy harambato, de avilay hatazagna ny dndrkao za. Avilay haregny ny feonao za, fa malefaka ny feonao, ary mate ho tia ny endrikao, le veivavy de miresaka am'tegnany.15Samboro ho antsika ny ambôhaolo, de reo ambôhaolo mbôla kely ze mamotika an'reo tanim-boalobotsika satria mamogny ny voalobotsika.16Anà ny malalako ary anazy za, minana aigny am'reo lilia amin-kafalena izy. Le veivavy miresaka am'le tiany. 17Mandiana, ry malalako alôhan'ny rivotra malefaka mitsotro am'mangiran-dratsy sy reo talinjogna mandalo. Mandiana, ôka ho salan'ny gazela na diera mbôla tanora am'reo tendrombotra mikitôntôgna anao.
Chapter 3

1Amin'ny alina akeo ampandrenako de magniry an'le raika ze tèko za, nikaraka an'azy za, nefa tsy hitako izy. 2Ozy za tam'tegnako hoe: "hitsangana za ka hande aigny am'tanàna, am'reo lalana sy kianja hikaraka ny malalako za". Nikaraka an'azy za nefa tsy nahita an'azy.3Tazagn'reo mpiambina za raha nagnodidina ny tanàna zareo. Nagnontany an'azy reo za hoe: "hitanareo ma ny malalako ?" 4Fotôna vitsy tafaran'ny nandalovako teo aminjareo no nahitako an'le tian'ny fagnàko. Nitàna an'azy za ary tsy namela an'azy nande madrapitondrako an'azy taigny andragnon'ny reniko, akao amin'ny efitragno fandren'le niteraka anà, le veivavy mikoragna am'reo veivavy hafa.5Teko hianiana anareo, ny zanaka vavin'ny leilàn'i Jerosalema am'reo Gazela sy reo vokatr'reo saha, mba tsy ho tapanareo ny fiarahanay mandry raha tsy vita zany. Le gaombavy miteny am'tegnany.6Ino regny miakatra avy am'tany efitra ôtran'ny tangoron-tsetroko magnim-pofona miora sy didin-kakazo magnitra miaraka am'reo vovoka daôly am'mpivarotra regny? 7Indro, ny fandrenan'i Solomona zany, mpiady enim-polo no nagnodidigna an'zany, de reo miaramila enim-polon'Israely.8Havanana am'sabata zareo ary mahay miady. Managna ny sabany aigny amin'ny andilagny avy ny ôla daôly mitampiadena hanotra ny fampiorohoron'ny alina. 9Nagnano seza filanjana vita tam'kakazon'i Libanona ho an'azy Solomona mpanjaka.10Ny tsanganan'zany de vita am'volafotsy; ny lakambony de vita am'volamena, ary ny fipetrana tam'fitafy volom-parasy. Ny tao agnatin'ny de nampiaingôn'reo zanaka vavin'reo leilan'i jerosalema.11 Mivoaha ry zanaka vavin'i Ziona ary mandiniha an'Solomona mpanjaka, mitondra ny Satro-boninàtra ze nampisatrôn'ny reniny an'azy tamin'ny andron'ny fanambadeny, tamin'io androm-pifalen'ny fiaignany io.
Chapter 4

1Endre, tsara tarehy anao ry malalako ; tsara tarehy anao de voromelala akao ambadiky ny voalinao. Ny volonao de salan'ny andian'osy midigna avy aigny an-Tendrombotran'i Gileada.2Ny nifinao de salan'ny ondry vavy avy nitezanana, miakatra avy am'tôrana fandrôna. Samy kambana avy reo tsisy banga.3Ny molotrao de salan'ny kofeha jaky mahatehotia ny vavanao. Salan'ny silak'ampongabendagnitra ny takolakao akao ambadiky ny voalinao.4Ny vozognao de salan'ny tilikambon'i Davida voaorina aigny am'filaharam-bato, miaraka amin'ny ampinga arivo mihantogna akeo am'zany de ny ampingan'reo maramila daôly.5 Ny nononao rôy de salan'ny diera roy, gazela kambana miraotra akeo am'reo lilia.6Mandrapatongavan'ny magnambahamba ka milefa alavitra ny aloka de hande ho aigny an-Tendrombotran'ny miora sy aigny am'tanetin'ny didin-kakazo magnim-pofona za. 7Tsara tarehy am'lafiny daôly anao, ry malalako ary tsisy kilema aminao.8Miaraha aminà avy aigny Libanona, ry le ampakarina. Miaraha aminà avy aigny Libanona ; tongava avy aigny an-tampon-Amana, avy aigny an-tampon-Senira sy Hermona, avy aigny an-davaky ny Liona, avy aigny am'tendrombotro lavaky ny Leopara.9Lasanao ny foko ry havako , le ampakariko; lasanao ny foko tam'fijery raika fôgna taty aminà tam'firavaka raika teo am'vozognao.10Endre ny hatsaran'ny fitiavanao ry havako, ry le ampakariko ! Endre ny hatsaran'ny fitiavanao mihôtra ny divay sy ny fameroveron'ny ranomagnitra mihôtra noho ze zava-magnitra daôly. 11Ny molotrao, ry le ampakariko de mitete tintely; tintely sy ronono no akeo ambanin'ny lelanao, ny fameroveron'ny akanjonao de salan'ny fameroveron'i Libanona.12Ry havako, saha voahidy le ampakariko, eny saha voahidy, loharano voatombo-kase.13 Ny sampagnao de ala kelin'ampongaben-dagnitra misy voankazo voafantina, ary moira sy narda.14 Eny, narda sy safrona, veromagnitra sy kanelina miaraka am'reo karazagna hagnitra dahôly, de miora sy havozo miaraka am'reo zava-magnitra tegna tsara dahôlo.15Sahan-doharano anao , fantsakan-drana madio, rian-drano mikorigna avy aigny Libanona, le gaombavy miteny am' malalany hoe:16 Mifoheza, ry rivotra avy aigny avaratra; ave, ry rivotra avy aigny atsimo; tsofy ny sahako mba hampiely ny fameroveron'ny fofony magnitra. Enga ane ka ho tonga akao am' sahany ny malalako ka hinana ny sasagny am' voankazo voafantina.
Chapter 5

1Tonga tao an-tsahako za, ry tavako, ry le ampakariko; efa nagnangona ny mioroko sy ny zava-magnitra ze efa hihinana ny tohontinteliko ary ny tinteliko za; efa nisotro ny divaiko sy ny rononoko za. Ozy reo sakaiza mikoragna am'reo malala mihinàna; ry sakaiza, misotroa ary ôka ho mamon'ny fitiavana. Ozy le gaombavy mikoragna am'tegnany.2Nandry za, nefa ny foko de nofô tao agnaty nofy. Zany ny feon'ny malalako mandondogna any ary magnano hoe:" voaho za ry tavako, malalako ry voromailalako, ry madioko, fa kotsan'ny ando ny lôhako, feno andron'ny Alina ny voloko."3"Efa hagnalà ny akanjolavoko za; de tsy maintsy hagnano an'zany ndre ma? Efa nosasako ny tongotro de tsy maintsy ho lotoviko ndre ma?"4 Nampiditra ny tagnany teo am'fisokofan'ny hidim-baravaragna ny malalako, Ary nientanentana ho an'azy ny foko.5Niarigna za mba nanokatra ny varavaragna ho an'ny malalako ; nitete miora ny tagnako, nisy ranona miora ny rantsan-tanako teo am'famoaham-baravaragna.6Nanokatra ny varavaragna ho an'ny malalako za, nefa niodina ny malalako ka nande. Difitra ny foko; nanjary kivy za. Nikaraka an'azy za nefa tsy hitako izy; nagnantso an'azy za nefa tsy namaly anà Izy.7Reo mpiambina ze nande tam'tanàna nahitana anà; novono-jareo za ary noratrainy. Reo mpiambina tel am' manda nagnala ny fifadena taminà. Ozy gaombavy nikoragna tam'reo veivavy tao an-tanàna.8Zao no ataoko ho an nareo ry zanaka vavin'i jerosalema, fa raha hitanareo ny malalako de lazao an'azy fa marary noho ny fitiavako an'azy za. Ozy reo veivavy tao an-tanàna nikoragna tam're gaombavy.9Nagnino ny malalanao no tsara noho ny malalan'ny hafa, no de mangataka an'ray hagnano fianianana salan'zao anao? Ozy ré gaombavy nikoragna tam'reo veivavin'ny tanàna.10Ny malalako de mamiratra sady mena tsy manam-paharoa am'reo agn'aliny.11 Ny lôhany de volamena tegna tsara; ny volony de olioly sady mainty salan'ny goaka.12Ny masony de salan'ny voromailala ankekin'ny rian-drano, nosasana tam'ronono, natohitohy ôtran'ny firavaka.13Reo takolany de salan'ny fandren-java-magnitra, mamokatra hagnitra mamerovero. Ny molony de Lilia, mitete miora.14Reo sandriny de voahodidigna volamena natao firavaka, ny kibony de ivory voarakotra safira.15Reo tongony de andry vita am'marba, mifototra am'volamena tsy mifangaro, ny endrigny de sala an'i Libanona, tsiriritina salan'ny sedera.16Ny vavany de tegna mamy, tegna matehotia izy. Zany ny malalako, ary zany ny sakaizako, ry zanaka vavin'i Jerosalema.
Chapter 6

1Nankaiza ny malalanao,ry tegna tsara tarehy am'veivavy? Nizotra nankaiza ny malalanao, mba hikaranay an'azy miaraka aminao? Mikoragna am'tegnany le gaombavy.2Ny malalako de efa nidigna nankaigny am'sahany ho aigny am'farafaran-java-magnitra, mba hiraotra agny am'saha sy hitango an'reo Lilia. 3An'ny malalako za ary anà ny malalako; hiraotra akeo am'reo lilia am-pifalena izy. Le tian'le veivavy miresaka aminazy.4Tsara tarehy salan'ny Tirza anao ry teko, maha te ho tia sala an'i Jerosalema, mampisy aingam-pagnà n'y tafika miaraka am'fanevany.5Avilio amina ny masonao, fa nanafotra anà zareo. Ny volonao de salan'nynomby aman'osy avy midina avy aigny am'reo tevagn'ny Tendrombotran'i Gileada.6Ny nifinao de salan'ny andiana omby vavy miakatra akeo am'reo tôrana fisasana. Samy magnana ny kambana aminazy tsiraikeraiaka ary tsisy banga reo.7 Reo takolakao de salan'ny silak'ampongaben-dagnitra akao ambadiky ny voalinao. Le tian'le veivavy miresaka am'tegnany.8Misy mpanjakavavy enimpolo, vadikely valopolo, ary gaombavy tsy hita isa. 9Ry voromelalako, ry madioko, le hany tokako; izy de vavy tokan-dreniny; izy no tegna tian'le veivavy ze niteraka an'azy; reo zanaka vavin'ny ôla ao tanànako raha natazagna an azy de nagnantso an'azy hoe sambatra; reo mpanjaka vavy sy reo vady kely kô de nahita ka nidera an'azy. Zao no lazain'ny mpanjaka vavy sy ny vady kely.10"Iza ma io miseho ôtran'ny magnambahamba, tsara tarehy ôtran'ny volana, mamirapiratra ôtran'ny masoandro, mampisy aingam-pagnà ôtran'ny tafika miaraka am'fanevany?" Le tian'le veivavy miresaka am'tegnany.11Nidigna taigny am'reo ala kely misy hazom-bazana za mba hijery ny tsiry vaovao aigny an-dohasa, mba hijery raha mitsimoka reo voaloboka, ary raha namogny ny ampongabendanitra. 12Tegna faly za ka natsapa ôtran'ny hoe: nitikina ny kalesan'ny andrian-dahy. Ny tian'le veivavy miresaka aminazy.13Miviregna, miviregna, anao ry veivavy tonga lafatra;miviregna, miveregna mba ahafako mandinika an'nao. Le gaombavy miresaka am' le tiany. Nagnino anao no mandinika anà le veivavy tonga lafatra, salan'ny hoe mandihy akeo agnelagnelagn 'ny mpandihy rôy an-dalana za?
Chapter 7

1Endre ny hatsaran'ny tongotrao akao am'kapanao ry zanaka vavin'ny andrian-dahy. Salan'ny firavaka ny amboaram-peonao, asa tagnan'ny mpagnano asa-tagnana mahay.2Ny foitranao de salan'ny tamaboha boribory, tsy ho ory divay voaharo ane zany. Ny kibonao de salan'ny vary tritrika mitoby voahodidigna lilia.3Reo nononao rôy de salan'ny zanaka serfa rôy gazela kambana.4 Ny vozognao de salan'ny tilikambo ivory, ny masonao de salan'ny kamory aigny Hesbona akeo am-bavahadin'in Bata Rabima. Ny orognao de salan'ny tilikambo aigny Libanona ze mitodika mankaigny Damaskosy.5Ny lohanao de salan'ny Karmela , ny volon-dôhanao de volom -parasy matroka. Babon'ny randran'zany ny mpanjaka. 6Endre tsara tarehy sady maha te ho tia anao ry le malala mafinaritra anao.7Ny tsangananao de salan'ny an'ny palma, ary ny nononao de salan'ny sampam-boankazo. 8Nieritreritra za hoe: Te hagnanika an'zan palma zany za; magna mafy an'reo rantsagny: ôka reo nononao ho salan'ny an'reo sampam-boaloboka, ary ôka ny fameroveron'ny orognao ho salan'ny peso.9Ôka ny vavanao ho salan'ny divay tegna tsara, mikorigna moramora am'malalako, misosa akeo am'molotrao sy ny nifintsika. Le gaombavy miteny am'ny ôlon-tiany.10An'ny malalako za, ary magniry an'izy.11 Ave, ry malalako, andao tsika hiaraka ho aigny ambanivotra; andao tsika hatory aigny am'reo tanàna.12Andao tsika hifô ampolakeka ho aigny antani-boaloboka; andao zahantsika raha mitsimoka reo voaloboka, raha misokatra reo vogniny, ary raha mamogny reo ampongabendanitra. Aigny no hagnomezako an'nao ny fitiavako.13Mamerovero aok'zany reo mandravasarotra, akeo am-baravaragna ze itoerantsika ny karazam-boankazo daoly, ny vao sy ny ela ze efa notehiriziko ho anao ry malalako.
Chapter 8

1Iriko ho ôtran'ny anadako anao, ze ninono tam'nonon-dreniko anao. Ary na Aiza hatazagnako an'nao akaigny avelany, de afaka magnoroka an'nao za, Ary ts hisy ôlo hagnano tsinontsino anà.2Ho taritiko ary ho entiko aigny andranon'ny reniko anao, ary de hampianarinao za. Ameko divay mifangaro zava-magnitra ho sotrona s'y ampahany am'ranon'ampongabendanitra anao. Niresaka tam'tegnany le gaombavy.3 Ny tagnany ankave tel am'lôhako Ary ny tagnany ankavanana namina anà. Nikoragna am'reo veivavy hafa le veivavy.4Tiako nianiana anareo ry zanaka vavin'i Jerosalema, fa tsy hanapaka ny fiarahanay mandry anareo mandrapa vitany. Reo veivavin'i Jerosalema nikoragna.5Iza ty avy magnatogna miakatra avy aigny agn'efitra miankina am'malalany ty? Nikoragna am'le malalany le gaombavy namôha an'nao teo ambany peso za, teo am'nanorontoronin'ny reninao an'na, teo am'niterahany an'nao, namoahany an'nao.6Atôvo ôtran'ny tombokase akao am-ponao za, ary ôtran'ny tombokase akeo am'sandrinao, fa mahery ôtran'ny fahafatesany ny fitiavana. Ny firehetan'ny fahasarotam-piaro de tsy mamela mahazo ôtran'ny fiaignan-tsy hita, mandoro ny lelan'afony, lelan'afo miredareda zany, lelan'afo mamay noho ny afo daôly.7Reo rano magnonja tsy mafaty ny afon'ny fitiavana, na reo tondra-drano tsy mahazaka an'azy. Raha misy ôlo magnome ny fanagnany daôly akao an-dragnony hamidy fitiavana,de atao tsinotsino zany.8Managna zandry vavy zahay, ary tsy mbôla mitsiry nono izy. Ino no azonay atao ho an'anabavinay amin'ny andro ze hanolorana an'azy am'fanambadena.9Raha manda izy, de hangananay tilikambo vita am'volafotsy akeo antampony. Raha varavaragna izy, de ho tampenanay am'kakazo sedera fisaka.10Manda za, fa am'zao reo nonoko de ôtran'ny tilikambo fiarovana mafy. Ka tegna efa matoy tokôtra za akeo amasony.11Nanagna tanim-boaloboka tao Bala-hamona i Solomona. Nahofany tam'reo ze te hikarakara an'zany ny tanim-boaloboka. Ka de tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon'ny vokatra, isanisany avy. 12Anà tokôtra ny tanim-boaloboka, sekely arivo de an'nao ry Solomona malalako, ary ny sekely roanjato ho an'ze mpikarakara an'zany mba azahôna vokatra.13Anao ze mipetraka akeo antsaha, reo sakaizako nihaino ny feonao. Avilay za mba agnisan'ny ze maregny an'zany kô.14Malaky, ry malalako ôka anao mba ho ôtran'ny gazela na ny diera tanora aigny an-tendrombotran'reo zava-magnitra anao.

Joel

Chapter 1

1Zao no tenin'i Yaveh ze tonga tamin'i Joela zanaka lahin'i Petoela. 2Anareo lôholona, tainô zao, ary mandrignesa anareo mponina daôly akeo am'tany. Efa nitranga ma zao tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razambenareo? 3Lazao ny momba an'zany ny zanakareo, ary ôka ny zanakareo hiteny ny zanak'zareo, ary zanak'zareo am'taranak'zareo manaraka.4Ze sisan'ny kijeja de nohanin'ny andiam-balalagna; ze sisan'ny andiam-balalagna de efa nohanin'ny valalagnavao; ary ze sisan'ny valalagnavao de nohanin'ny sompanga.5Mifohaza, anareo ry mpimamo, ary mitomagnè! Midradradradrà, anareo daôly mpisotro divay, satria ny divay mamy de nalana teo aminareo. 6Fa nisy firenena raika niakatra teo am'taniko, mahery sy tsy hita isa. Ny nifiny de nifin'ny liona, ary managna ny nifin'ny liona vavy izy. 7Nataony tôrana mampihorohoro ny tanim-bôloboko ary notapàny ny kakazon'aviaviko. Nongotany ny hodi-kakazony ary nariany zany; reo rantsagny de nanjary fotsy.8Ôka hisaona ôtran'ny virijiny magnano akanjo fisaonana am'fahafatesan'ny vadiny tanora anareo. 9Ny fagnatitra voa sy fagnatitra sotroina de nalana tao am'tragnon'i Yaveh. Misaona reo mpisorogna, mpanompon'i Yaveh. 10Rava reo saha, misaona ny tany satria efa naratra ny vary. Maina ny divay vaovao, mandamoka ny diloilo.11Mba megnatra, anareo tantsaha, ary midradradradrà, anareo ry mpamboly vôloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea. Fa ny vokatry ny saha de efa levona. 12Nalazo ny vôloboka ary maigna reo kakazon'aviavy, reo ampongabendagnitra, reo kakazo palma ihany kô, ary reo kakazon'ny poma___nalazo daôly ny kakazo daôly taigny an-tsaha. Fa nalazo ny fifalen'ny taranak'ôlombelona.13Magnanôva akanjo fisaonana ary ôka hisaona, anareo mpisorogna! Midradradradrà, anareo mpanompon'ny alitara. Magnatogna, ento matory mandritry ny alina manontolo ny akanjo fisaonana, anareo mpanompon'ny Andriamanitro. Fa ny fagnatitra voa sy ny fagnatitra sotroina de efa notanana akao an-dragnon'ny Andriamanitrareo. 14Mangataha fifaden-kanina masina, ary mangataha fiangonana masina. Havoreo reo lôholona sy reo mponina akao am'tanin'i Yaveh Andriamanitrareo, ary mitomagnè amin'i Yaveh.15Indrisy ry andro! Fa ny andron'i Yaveh de efa ankeky. Ho avy miaraka am'zany ny famotehana avy am'le Tsitoha. 16Tsy efa nalana teo amasontsika ma ny hahanina, ary ny fifalena sy ny firavoravôna tao an-dragnon'Andriamanitsika? 17Reo voa de lo aigny ambanin'ny baingan-tanin'reo, fôgna reo mpamatsy, ary potika reo sompitra, satria nalazo reo vary.18Zany fitrerogn'reo biby! Mijaly ny biby fiompy satria tsy managna tany fihinanam-bilona zareo. Mijaly ihany kô reo andian'ondry aman'osy. 19Ry Yaveh, mitaraigna Aminao za. Fa nolevonin'ny afo reo fihinanam-bilogna aigny agn'efitra, ary lelan'afo no nandoro ny kakazo daôly taigny an-tsaha. 20Na reo biby aigny an-tsaha aza de midradradradra Aminao, satria ritra ny lôsaha, ary main'ny afo reo fihinanam-bilogna aigny agn'efitra.
Chapter 2

1Tsofo ny anjomara akao Ziona, ary ampagnenô ny fanairana aigny an-tendrombotra masina! Ôka ny mponin'ny tany daôly hangovitra am'tàtra, fa ho tonga ny andron'i Yaveh; ankeky tokôtra zany. 2Andron'ny fahamaizinana sy aizim-pito zany, andron'ny rôndro sy aizim-pito. Salan'ny magnembahemba ze miparitaka aigny am'reo tendrombotra, magnatogna ny tafika leibe sy matanjaka. Tsy mbôla nisy tafika ôran'ty hatrizay, ary tsy hisy ôtran'azy ntsony, na afaran'ny taranaka fara mandimby maro aza.3Ny afo de mandevona ny ra daôly magnolôna an'azy, ary akao ambadik'zany ny lelan'afo de miretra. Ny tany de salan'ny saha Edena akeo agnolônan'zany, nefa akao ambadik'zany de misy efitra fôgna. Tsisy na ino na ino hilefa am'zany tokôtra.4Niendrika sôvaly reo tafika, ary mihazakazaka ôtran'ny mpitikin-tsôvaly zareo. 5Mitsambikina miaraka am'feo ôtran'reo sarety aigny an-tampon'ny tendrombotra zareo, salan'ny feon'ny lelan'afo miretra ze mandevona ny mololo, salan'ny tafika matanjaka vonona ho amin'ny ady zareo.6Akao agnaty fangirifiriana ny ôlà ary nanjary fotsy hatsatra ny tavanjareo daôly rafa akeo agnatrenjareo. 7Mihazakazaka salan'ny mpiady matanjaka zareo; mignanika an'reo manda ôtran'reo maramila mpiady zareo; magnano diabe am'laharany avy zareo ary tsy rava ny laharany.8sy mifanosika zareo; samy mande am'lalany avy zareo; mamakivaky ny fiarovana zareo ary tsy rava ny laharana. 9Mirohitra aigny am'tanàna zareo, ary mihazakazaka aigny am'manda, magnanika am'reo tragno zareo, ary miditra akeo am-baravarankely ôtran'ny mpangalatra zareo.10Mihorohoro magnolôna an'njareo ny tany, ary miozongozogna ny lagnitra, ny masoandro sy ny volana de maizigna, ary ny kintana de tsy mamiratra. 11Manandratra ny feony magnolôna ny tafiny i Yaveh, satria reo mpiadiny de maro an'isa tokôtra; satria mahery zareo, reo ze hagnatanteraka ny didiny. Fa leibe sy matsiravina tokôtra ny andron'i Yaveh. Iza no ho velona am'zany?12"Ka na de am'zao aza" ozy i Yaveh hoe: "Miviregna Aminà am'fonareo manontolo. Mifadè ahanina, mitomagnè, ary magnanôva fisaonana." 13Triaro ihany kô ny fonareo fa tsy ny fitafenareo fôgna, ary miviregna amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa mamindra fo sy miantra Izy, tsy mora sosy ary be famindram-po, ary hiala am'fampitondrana famaizana Izy.14Iza no mahafantatra? Mety hiverigna ma izy ary hanagna fangoraham-po, ary hamela fitahiana afarany, de ny fagnatitra voa sy fagnatitra sotroina ho an'i Yaveh Andriamanitrareo?15Tsofo ny anjomara akao Ziona, magnantsova fifaden-kanina masina, ary magnantsova fivorena masina. 16Avoreo ny vahôka, antsôvo am'fivorena masina. Voreo reo lôholona, angono ny ankizy sy ny zaza minono. Ôka ny mpampakatra hiala akao agn'efitragnony, ary ny ampakarina hiala akao an-dragno fandreny.17Ôka reo mpisorogna, mpanompon'i Yaveh hitomagny akeo agnelagnelagn'ny lavarangana fidirana sy ny alitara. Ôka zareo hilaza hoe: "Iantrao ny ôlànao, ry Yaveh, ary aza avela ho amin'ny fahafaham-baraka ny lovanao, ka hesoin'reo firenena. Nagnino zareo no tokony hiteny am'reo firenena hoe: 'Aiza ny Andriamanitr'zareo?'"18Ka de saro-piaro ny am'taniny i Yaveh ary niantra ny ôlàny. 19Namaly ny ôlàny i Yaveh hoe: "Indro, handefa vary ho an'nareo, divay vaovao, ary menaka Za. Ho afa-po am'zany anareo, ary tsy havelako ho afa-baraka akeo am'reo firenena ntsony anareo.20Alako alavitra an'nareo ny mpanafika avy aigny avaratra, ary hitondra an'njareo ho akeo am'tany karakaigna sy maigna Za. Ny lôha-laharan'ny tafik'zareo de hande aigny am'ranomasina atsinanana, ary vodi-laharany ho aigny am'ranomasina andrefana. Hiakatra ny fofony, ary ny fofon-dratsiny hiakatra." Efa nagnano ra gedabe tokôtra izy.21Aza matàtra, ry tany, mifalè sy miravoa, fa Yaveh hagnano ra gedabe. 22Aza matàtra, ry biby aigny an-tsaha, fa hitsimoka ny ahitra aigny agn'efitra, hamoa reo kakazo, ary ny kakazo aviavy sy ny vôloboka hamokatra be. 23Miravoa, ry vahôkan'i Ziona, ary mifalè akao amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa hagnome fararanon'orana ary handatsaka orana ho an'nareo Izy, fararanon'orana sy ny fararanom-dôhataona ôtran'ny teo alôha.24Ny famolôna de ho feno vary, ary reo vata ho feno divay vaovao sy diloilo.25 "Hamerigna am'vôlôny an'reo taonan'ny vokatra ze efa nohanin'ny andiam-balalagna Za___ny valalagna be, ny valalagna mpandrava, ary ny valalagna mpandratra ho an'nao Za___ ny tafiko mahery ze nalefako akeo aminareo.26Hihinana betsaka anareo ary ho voky, ary miderà ny agnaran'i Yaveh Andriamanitrareo, ze efa nagnano fahagagana teo aminareo, ary tsy hitondra fahamegnarana akeo amin'ny ôlàko ntsony Za. 27Hahafantatra anareo fa akeo amin'Israely Za, ary Za no Yaveh Andriamanitrareo, ary tsisy ankôtra Anà, ary tsy hitondra fahamegnarana akeo amin'ny ôlàko ntsony Za.28Akao afaran'zany de handatsaka ny Fagnàko am'nofo daôly Za, ary ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy de haminagny. Ny anti-dahinareo de hagnonofy, ny gaondànareo de hahita fahitana. 29Am'reo andro reo, de handrotsaka ny Fagnàko akeo am'reo mpanompolahy sy mpanompovavy ihany kô Za.30Hampiseho fahagagana aigny am'lagnitra sy akeo am'tany Za, de rà, sy afo, ary setroka midolovoka. 31Ny masoandro hanjary haizigna ary ny volana ho rà, alôhan'ny ahatongavan'ny andron'i Yaveh ze leibe sy mampihorohoro.32Ze daôly magnantso ny agnaran'i Yaveh de ho vôvonjy. Fa aigny am'tendrombotran'i Ziona sy aigny Jerosalema no hisy an'reo ze afaka nilefa, arak'ze vôlazan'i Yaveh, ary akeo am'reo sisa velona, reo ze nantsôvin'i Yaveh.
Chapter 3

1Indro am'zany andro zany sy am'zany fotôna zany, rafa hampody ny sesitanin'i Joda sy Jerosalema Za, 2de hamory an'reo firenena daôly Za, ary hitondra an'njareo hidigna akeo am'Lôhasahan'i Josafata. Hitsara an'njareo aigny Za, noho ny amin'ny Israely ôlàko sy lovako, ze niparitahanjareo takeo am'reo firenena, ary noho ny nizaranjareo ny taniko. 3Nagnano filokana ho an'ny ôlàko zareo, ary nivarotra ny zazalahy ho an'ny mpivaro-tegna, ary nivarotra ny zazavavy ho an'ny divay mba ho sotroinjareo.4Am'zao, nagnino no sosy Aminà anareo, ry Tyro, Sidona ary ny faritr'i Filistia daôly? Hamaly faty Anà ma anareo? Na de hamaly faty Anà aza anareo, de ho averiko akeo am'lôhanareo avy hatraigny ny sazinareo. 5Fa niaka ny volafotsiko sy ny volamenako anareo, ary hitondra ny harena sarobidy akao am'tempolinareo Za. 6Nivarotra ny ôlàn'i Joda sy Jerosalema am'reo Grika anareo, mba hanesorana an'njareo alavitry ny faritaniny.7Indro, hampiala an'njareo am'tôrana ze nivarotanareo an'njareo Za, ary hagnonitra akeo am'lôhanareo. 8Hivarotra ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, akeo an-tagnan'ny ôlàn'i Joda Za. Hivarotra an'njareo ho amin'i Sabeana zareo, aigny am'firenena alavitra. Fa Yaveh no efa niteny.9Ambarao akeo am'reo firenena zao hoe: 'Omagno amin'ny ady ny tegnanareo, fohazo reo leilà matanjaka, ôka hagnatogna zareo, ôka ny leilàn'ady daôly hiakatra. 10Tefeo ho sabatra ny angadinareo ary ho sabô ny antsy fandrantsagnanareo. Ôka ny mavozo hiteny hoe: "Mahery za."11Ave malaky, anareo firenena daôly aigny magnodidigna aigny, avoreo miaraka aigny ny tegnanareo. Ry Yaveh, ampidigno reo leilà mpiady maherinao.'12Ôka hifôha reo firenena ary hiakatra ho ao am'Lôhasahan'i Josafata. Fa akao no hipetrako hitsara ny firenena daôly magnodidigna. 13Apetraho ny antsy fandidena, fa ny vokatra de matoy. Ave, potsipotsero ny vôloboka, fa feno ny famiazana. Mihôtra ny vata fitatazana, fa betsaka ny faharatsenjareo."14Misy tabataba, de tabataba akao am'Lôhasahan'ny Fitsarana. Fa antomotra ny andron'i Yaveh akao am'Lohasahan'ny Fitsarana. 15Ny masoandro sy ny volana hanjary maizigna, ary reo kintana tsy hamirapiratra.16Hitrerogna avy aigny Ziona Yaveh, ary hampiakatra ny feony akao Jerosalema. Hiozongozogna ny tany sy ny lagnitra, nefa Yaveh de ho fialofan'ny ôlàny, ary fiarovana mafy ho an'ny zanak'Israely. 17"De ho fantatrareo fa Za no Yaveh Andriamanitrareo ze monigna akao Ziona, tendrimbotra masina. Ka de ho masina Jerosalema, ary tsisy tafika hagnano diabe akeo aminazy ndre.18Ho tonga zany amin'ny andro ze hipoiran'ny divay mamy am'tendrombotra, ny tanety de handreka ronono, ny lôhasahan-drekan'i Joda daôly de hikoriana rano, ary lôharano de hivôka avy am'tragnon'i Yaveh ary ny rano avy am'Lôhasahan'i Sitima. 19Ho tonga faharavana nilaozana i Egypta ary Edoma hanjary efitra fôgna, noho ny herisetra natao tamin'ny ôlàn'i Joda, satria nandatsaka ràn'ôlà tsy manan-tsigny takao am'taniny zareo.20Fa i Joda de honegnana mandrakizay, ary Jerosalema honenan'ny taranaka fara-mandimby. 21Hamaly faty ny ràn'ze tsy mbôla novaleko faty Za," fa Yaveh monigna akao Ziona.

Amos

Chapter 1

1Reto ra momba an'Israely reto no hitan'i Amosa, raika tam'reo mpiambina ondry tao Tekoa, takao am'fanambarana. Nandray am'reto ra reto izy tamin'ny andron'i Ozia mpanjakan'i Joda, ary kô tamin'ny andron'i Jerosalema zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'Israely roa taona mialôan'le horohoon-tany.2 Ozy izy hoe: "Hitrerogna avy aigny Ziona i Yaveh hampiakatra ny feony avy aigny Jerosalema Izy. Ho maigna ny ahitr'reo mpiambina ondry; ary halazo ny tampon'i Karmela."3Zao no lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Damaskosy, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny sazy Za, satria fitaovana vy no nivilezan-jareo an'i Gileada.4 Handefasako afo ny taranak'i Hazaela, ary handevona an'reo fiarovana mafin'i Beni-Hadada Za.5Ho tapako ny vy akeo amin'ny vavahadin'i Damaskosy ary handringana an'le leila ze monigna akao Bikata Avena Za, ary le leilà ze mitana ny tehinam-panjaka akao Bet-Edena. Ny vahôkan'i Syria de hande ho amin'ny fahababôna aigny Kira," ozy Yaveh.6Aringako le leilà ze monigna akao Asdoda sy le leilà ze mitana ny tehinam-panjakana avy aigny Askelona. 7Hanotra an'i Ekrona ny tagnako, ary ho foaty reo filistina tavela," ozy ny Tompo Yaveh.8Ho aringako le leilà ze monigna akao Asdoda sy le leilà ze mitana ny tehinam-panjakana avy aigny Askelona. Hanotra an'i Ekrona ny tagnako, ary ho foaty reo filistina tavela," ozy ny Tompo Yaveh.9Zao no lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Tyro, eny, na efatra aza, de tsy hagnalany sazy Za, satria nanolotra ny vahôka daôly an'i Edona izy reo, ary nandikany ny fifagnikem-pirahalahiny zareo. 10Handefa afo am'reo rindrign'Tyro Za, ary handevona an'reo fiarovana mafiny zany."11Zao no lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Edoma, eny na efatra aza de tsy hagnala sazy an'azy Za, satria nagnenjika ny rahalany tamin'ny sabatra izy ary nagnary ny famindram-po daôly. Ny hasoseny de mitohy mandrakariva, ary maharitra mandrakizay. 12Handefa afo akeo Temana Za, ary handevona ny lapan'i Bozra Izany."13Zao no lazai'ny Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'ny vahokan'ny Amona, eny, na efatra aza, de tsy hagnala sazy Za, satria nanataka an'reo veivavy bevohoka tao Gileada izy reo, mba hagnitaran-jareo ny faritaniny.14Hampiretra afo akeo amin'ny riandrign'i Raba Za, ary handevona an'reo lapa zany, miaraka amin'ny haika amin'ny andron'ny ady, miaraka amin'ny tafio-drivotra amin'ny andron'ny tadio. 15Hande amin'ny fahababôna ny mpanjakan-jareo, sy reo manamboninatra," hoy Yaveh.

Chapter 1

1Reto ra momba an'Israely reto no hitan'i Amosa, raika tam'reo mpiambina ondry tao Tekoa, takao am'fanambarana. Nandray am'reto ra reto izy tamin'ny andron'i Ozia mpanjakan'i Joda, ary kô tamin'ny andron'i Jerosalema zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'Israely roa taona mialôan'le horohoon-tany.2 Ozy izy hoe: "Hitrerogna avy aigny Ziona i Yaveh hampiakatra ny feony avy aigny Jerosalema Izy. Ho maigna ny ahitr'reo mpiambina ondry; ary halazo ny tampon'i Karmela."3Zao no lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Damaskosy, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny sazy Za, satria fitaovana vy no nivilezan-jareo an'i Gileada.4 Handefasako afo ny taranak'i Hazaela, ary handevona an'reo fiarovana mafin'i Beni-Hadada Za.5Ho tapako ny vy akeo amin'ny vavahadin'i Damaskosy ary handringana an'le leila ze monigna akao Bikata Avena Za, ary le leilà ze mitana ny tehinam-panjaka akao Bet-Edena. Ny vahôkan'i Syria de hande ho amin'ny fahababôna aigny Kira," ozy Yaveh.6Aringako le leilà ze monigna akao Asdoda sy le leilà ze mitana ny tehinam-panjakana avy aigny Askelona. 7Hanotra an'i Ekrona ny tagnako, ary ho foaty reo filistina tavela," ozy ny Tompo Yaveh.8Ho aringako le leilà ze monigna akao Asdoda sy le leilà ze mitana ny tehinam-panjakana avy aigny Askelona. Hanotra an'i Ekrona ny tagnako, ary ho foaty reo filistina tavela," ozy ny Tompo Yaveh.9Zao no lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Tyro, eny, na efatra aza, de tsy hagnalany sazy Za, satria nanolotra ny vahôka daôly an'i Edona izy reo, ary nandikany ny fifagnikem-pirahalahiny zareo. 10Handefa afo am'reo rindrign'Tyro Za, ary handevona an'reo fiarovana mafiny zany."11Zao no lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Edoma, eny na efatra aza de tsy hagnala sazy an'azy Za, satria nagnenjika ny rahalany tamin'ny sabatra izy ary nagnary ny famindram-po daôly. Ny hasoseny de mitohy mandrakariva, ary maharitra mandrakizay. 12Handefa afo akeo Temana Za, ary handevona ny lapan'i Bozra Izany."13Zao no lazai'ny Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'ny vahokan'ny Amona, eny, na efatra aza, de tsy hagnala sazy Za, satria nanataka an'reo veivavy bevohoka tao Gileada izy reo, mba hagnitaran-jareo ny faritaniny.14Hampiretra afo akeo amin'ny riandrign'i Raba Za, ary handevona an'reo lapa zany, miaraka amin'ny haika amin'ny andron'ny ady, miaraka amin'ny tafio-drivotra amin'ny andron'ny tadio. 15Hande amin'ny fahababôna ny mpanjakan-jareo, sy reo manamboninatra," hoy Yaveh.
Chapter 2

1Zao no lazain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'i Moaba, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny famaizana Za satria izy reo de nandoro ny taolagn'ny mpanjakan'i Edoma ho sokay.2Handefa afo akeo amin'i Moaba Za, ary ho levoniko ny fiarovana mafin'i Kiriotan ho foaty akao agnatin'ny kotaba sy hiaka ary ny feon'anjomara i Moaba. 3Ho ravako ny mpitsara akao aminazy, ary ho vonòko miaraka aminazy ny andriana daôly," ozy i Yaveh.4Zao no lazain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'Israely, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny famaizana za, zatria namidin-jareo volafotsy ny tsy manantsigny ary ny mahantra ho kapa. Nampandeha anzareo tamy lalan-diso ny vandin'zareo, de nandeha nanaraka izany koa ireo razany. 5Handefa afo eo amin'i Joda za, ary ho levoniko ireo fiarovana mafin'i Jerosalema."6Zao no lazain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'Israely, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny famaizana Za. Satria namidin-jareo volafotsy ny tsy manantsigny ary ny mahantra ho kapa.7Nagnitsaka ny lôhan'ny mahantra salan'ny fagnitsan'ny ôla ny jofo amin'ny tany zareo; nandrôka ny ory zareo. Ny leila sy ny rainy de samy mandry amin'ny veivavy raikan ary mandoto ny agnarako masina.8 Mandry akeo agnilan'ny alitara amin'ny akanjo azo tamin'ny antoka zareo, ary akao an-dragnon'Andriamanitr'zareo no hisotrny ny divay ze avy am'reo voasazy.9Nefa efa noravako teo agnolônan-jareo ny Amorita, ny halavany de salan'ny halavan'ny kakazo sedera natanjaka be salan'reo Ôka. Efa noravako ny voany agnambo sy ny fakany ampidigna. 10Ary kô, nitondra an'areo nivôka avy taigny amin'ny tany Egypta Za ka nitarika an'nareo efapolo taona taigny agn'efitra mba handovanareo ny tanin'ny Amorita.11Nanandratra mpaminany avy tamin'ireo zanakalahinareo sy Nazirita avy tamin'ireo zatovonareo Aho. Moa tsy izany ve, ry vahoakan'Israely? —Izany no fanambaran'i Yaveh. 12Nefa ianareo dia nandresy lahatra ireo Nazarita hisotro divay ary nandidy ireo mpaminany tsy haminany.13Indro, hagnitsaka an'nareo salan'ny fagnitsan'ny sarety feno vary ny ôla Za. 14Tsy afaka hilefa ny ôla kinga; tsy hampitombo ny heriny ny matanjaka, ary ny mahery tsy havonjy ny tegnany.15Tsy tafatsangana ny mpandefa tsipika; tsy afaka milefa ny mpihazakazaka mahery, tsy havonjy tegna ny mpitikina soavaly. 16Na de ny mpiady be herimpo aza de hilefa matanjaka am'zany andro zany_ zany no lazain'i Yaveh."

Chapter 2

1Zao no lazain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'i Moaba, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny famaizana Za satria izy reo de nandoro ny taolagn'ny mpanjakan'i Edoma ho sokay.2Handefa afo akeo amin'i Moaba Za, ary ho levoniko ny fiarovana mafin'i Kiriotan ho foaty akao agnatin'ny kotaba sy hiaka ary ny feon'anjomara i Moaba. 3Ho ravako ny mpitsara akao aminazy, ary ho vonòko miaraka aminazy ny andriana daôly," ozy i Yaveh.4Zao no lazain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'Israely, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny famaizana za, zatria namidin-jareo volafotsy ny tsy manantsigny ary ny mahantra ho kapa. Nampandeha anzareo tamy lalan-diso ny vandin'zareo, de nandeha nanaraka izany koa ireo razany. 5Handefa afo eo amin'i Joda za, ary ho levoniko ireo fiarovana mafin'i Jerosalema."6Zao no lazain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'Israely, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny famaizana Za. Satria namidin-jareo volafotsy ny tsy manantsigny ary ny mahantra ho kapa.7Nagnitsaka ny lôhan'ny mahantra salan'ny fagnitsan'ny ôla ny jofo amin'ny tany zareo; nandrôka ny ory zareo. Ny leila sy ny rainy de samy mandry amin'ny veivavy raikan ary mandoto ny agnarako masina.8 Mandry akeo agnilan'ny alitara amin'ny akanjo azo tamin'ny antoka zareo, ary akao an-dragnon'Andriamanitr'zareo no hisotrny ny divay ze avy am'reo voasazy.9Nefa efa noravako teo agnolônan-jareo ny Amorita, ny halavany de salan'ny halavan'ny kakazo sedera natanjaka be salan'reo Ôka. Efa noravako ny voany agnambo sy ny fakany ampidigna. 10Ary kô, nitondra an'areo nivôka avy taigny amin'ny tany Egypta Za ka nitarika an'nareo efapolo taona taigny agn'efitra mba handovanareo ny tanin'ny Amorita.11Nanandratra mpaminany avy tamin'ireo zanakalahinareo sy Nazirita avy tamin'ireo zatovonareo Aho. Moa tsy izany ve, ry vahoakan'Israely? —Izany no fanambaran'i Yaveh. 12Nefa ianareo dia nandresy lahatra ireo Nazarita hisotro divay ary nandidy ireo mpaminany tsy haminany.13Indro, hagnitsaka an'nareo salan'ny fagnitsan'ny sarety feno vary ny ôla Za. 14Tsy afaka hilefa ny ôla kinga; tsy hampitombo ny heriny ny matanjaka, ary ny mahery tsy havonjy ny tegnany.15Tsy tafatsangana ny mpandefa tsipika; tsy afaka milefa ny mpihazakazaka mahery, tsy havonjy tegna ny mpitikina soavaly. 16Na de ny mpiady be herimpo aza de hilefa matanjaka am'zany andro zany_ zany no lazain'i Yaveh."
Chapter 3

1Tainô zao teny ze lazain'i Yaveh aminareo zao, ry zanak'Israely, de ny am'reo taranaka daôly ze nentiko niôka ny tany Egypta: 2"Anareo rerika fôga no nofidiko am'reo firenena daôly aketo ambon'ny tany. Noho zany, de ho faiziko anareo noho reo otanareo daôly.3Fa anga ma hiaraka mande ny rôy rahatsy efa nifagneky zareo? 4Fa anga ma hitrerogna aigny agn'ala ny liona raha tsy matazagna haza izy? Fa anga ma hitrerogna akao andavagny ny liona tanora raha tsisy ra azony izy?5Fa anga ma afaka mivarigna agnaty fandrika ety amin'ny tany ny vorogna raha tsy misy tadivaravarana voapetraka ho an'azy? Fa anga ma hikatogna ny fandrika aty amin'ny tany raha tsisy ra azony izy? 6Hagneno akao an-tanana ma ny trompetra ka tsy hangitakitaka ny ôla? Ho tonga akao antanana ma ny loza raha tsy i Yaveh no nandefa an'zany?7Aza antoka fa tsy hagnano na ino na ino i Tompo Yaveh raha tsy milaza an'reo fikasany am'reo mpaminagny mpanompony Izy. 8Iza no tsy hatatra; raha nitrerogna ny liona? Efa niteny ny Tompo Yaveh, iza no tsy haminagny?9Lazao aigny am'reo fiarovana mafin'i Asdoda zany, ary aigny amin'ny fiarovana mafin'i Egypta; lazao hoe: "Mitangorògna anareo aigny am'reo tendrombotran'i Samaria ary tazagno ny salahôka be ze misy akao aminazy, ary ny fahorena akao aminazy. 10Fa tsy mafantatra ny fagnanôvana ny marina zareo_ zany no lazain'i Yaveh. Mitahiry herisetra sy faharavana akao amin'ny mandany zareo."11Noho zany, zao no lazain'ny Tompo Yaveh hoe: "Hiodidigna ny tany ny fahavelo. Handrava an'reo fiarovana mafy Izy ary handroba an'reo mandanao. 12Zao no lazain'i Yaveh: "Salan'ny famonjen'ny mpiambina ondry ny tongotra ondry rôy amin'ny vavan'ny liona na n sofigny rôy, no hamonjena ny zanak'Israely ze monigna aigny Samaria, akeo anjoron-tseza na anjorom-parafara."13Mitaignô ka lazao ny hanoherana ny taranak'i Jakoba. Zao no lazain'i Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro: 14Fa amin'ny andro ze hamaizako ny Israely nohon'ny fahotany de ho faiziko kô ny alitaran'i Betela. Ho tapana reo tandroky ny alitara ary ho roba amin'ny tany.15Ho ravako ny tragno rirignina sy fahavaratra. Ho rava ny tragno ivory ary reo tragnobe hanjavona, zany no lazain'i Yaveh."

Chapter 3

1Tainô zao teny ze lazain'i Yaveh aminareo zao, ry zanak'Israely, de ny am'reo taranaka daôly ze nentiko niôka ny tany Egypta: 2"Anareo rerika fôga no nofidiko am'reo firenena daôly aketo ambon'ny tany. Noho zany, de ho faiziko anareo noho reo otanareo daôly.3Fa anga ma hiaraka mande ny rôy rahatsy efa nifagneky zareo? 4Fa anga ma hitrerogna aigny agn'ala ny liona raha tsy matazagna haza izy? Fa anga ma hitrerogna akao andavagny ny liona tanora raha tsisy ra azony izy?5Fa anga ma afaka mivarigna agnaty fandrika ety amin'ny tany ny vorogna raha tsy misy tadivaravarana voapetraka ho an'azy? Fa anga ma hikatogna ny fandrika aty amin'ny tany raha tsisy ra azony izy? 6Hagneno akao an-tanana ma ny trompetra ka tsy hangitakitaka ny ôla? Ho tonga akao antanana ma ny loza raha tsy i Yaveh no nandefa an'zany?7Aza antoka fa tsy hagnano na ino na ino i Tompo Yaveh raha tsy milaza an'reo fikasany am'reo mpaminagny mpanompony Izy. 8Iza no tsy hatatra; raha nitrerogna ny liona? Efa niteny ny Tompo Yaveh, iza no tsy haminagny?9Lazao aigny am'reo fiarovana mafin'i Asdoda zany, ary aigny amin'ny fiarovana mafin'i Egypta; lazao hoe: "Mitangorògna anareo aigny am'reo tendrombotran'i Samaria ary tazagno ny salahôka be ze misy akao aminazy, ary ny fahorena akao aminazy. 10Fa tsy mafantatra ny fagnanôvana ny marina zareo_ zany no lazain'i Yaveh. Mitahiry herisetra sy faharavana akao amin'ny mandany zareo."11Noho zany, zao no lazain'ny Tompo Yaveh hoe: "Hiodidigna ny tany ny fahavelo. Handrava an'reo fiarovana mafy Izy ary handroba an'reo mandanao. 12Zao no lazain'i Yaveh: "Salan'ny famonjen'ny mpiambina ondry ny tongotra ondry rôy amin'ny vavan'ny liona na n sofigny rôy, no hamonjena ny zanak'Israely ze monigna aigny Samaria, akeo anjoron-tseza na anjorom-parafara."13Mitaignô ka lazao ny hanoherana ny taranak'i Jakoba. Zao no lazain'i Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro: 14Fa amin'ny andro ze hamaizako ny Israely nohon'ny fahotany de ho faiziko kô ny alitaran'i Betela. Ho tapana reo tandroky ny alitara ary ho roba amin'ny tany.15Ho ravako ny tragno rirignina sy fahavaratra. Ho rava ny tragno ivory ary reo tragnobe hanjavona, zany no lazain'i Yaveh."
Chapter 4

1Tainô zao teny zao, anareo ry aombivavin'i Basana, anareo ze aigny antendrombotran'i Samaria, anareo ze mampahory ny mahantra, anareo ze manorotoro ny malahelo, anareo ze milaza amin'ny vadinareo hoe: "Itondrao zava-pisotro zahay." 2Efa nianiana tamin'ny fahamasinany ny Tompo Yaveh hoe: "Ho avy ny andro ze itaritany an'nareo amin'ny firango, ary sisa aminareo amin'ny fintana.3Hivôka akeo am'le vaky amin'ny mandan'ny tanàna anareo, samy hagnitsy am'zany avy, ary atsipy aigny avelagny mankaigny Harmona anareo_ ozy Yaveh."4"Mandeana aigny Betela de magnotà, aigny Gilgala ka ampitomboso ny fahotana, ento isaky ny ampôlakeka ny sorognareo, ny ampafafolonkarenanareo isaky ny telo andro. 5Magnatera sorogna fagnati-pisaorana miaraka amin'ny mofo; milaza fagnati-tsitrapo; lazao reo, fa mafinaritra an'nareo zany, ry zanak'Israely_ zany no lazain'i Tompo Yaveh.6Nameko fagnafodinify anareo taigny amin'ny tanananareo daôly ary tsy fahampen'ny mofo tao amin'ny tôranareo daôly. Kanefa tsy niverigna taminà fôgna anareo_ zany no lazain'i Yaveh. 7Nanakana ny orana tsy ho avy teo aminareo kô Za telo volana talôhan'ny miaka bokata. Nataoko nagnorana tao amin'ny tanàna raika, ary nataoko tsy nagnorana ny tanana hafa. Ny tany sasagny nisy orana, fa ny tany hafa ze tsy mba nisy orana de maigna.8Tanàna rôy na telo no nivembena nankaigny amin'ny tanàna hafa mba hisotrorano, nefa tsy afa-po. Kanefa tsy mbôla niverigna tamina fôgna anareo_ zany no lazain'i Yaveh. 9Nampahory an'nareo tamin'ny fahamaignan'ny voly sy ny bobongolo Za. Ny habetsaky ny sahanareo, ny tanim-bolobokareo, ny kakazon'aviavinareo, ary ny hazon'oliva nareo de efa nohanin'ny valalagna daôly izy daôly. Kanefa tsy niverigna tamina fôgna anareo ozy Yaveh.10Nagnandefa areti-mandringana teo aminareo ôtran'ny taigny Egypta Za. Novonoko tamin-tsabatra ny tovolahinareo, nalaiko ny soavalinareo, ary nataoko teo ambava orognareo ny hamaimbon'ny tobinareo. Kanefa tsy niverigna taminà anareo, ozy Yaveh. 11Nandringana tanàna teo aminareo Za, ôtran'ny nandriganan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomara. Efa salan'ny tapa-porôgna miretra nosontonina avy tao agnaty afo anareo. Kanefa tsy niverigna tamina fôgna anareo, zany no lazain'i Yaveh.12Noho zany de hagnano ra tsy manjary aminareo Za, ry Israely; ary satria hagnano an'zany Za de miomagna hiaogna amin'ny Andriamanitrao ry Israely! 13Fa indro, le nagnano ny tendrombotra no nahary ny rivotra, mampiseho ny heviny amin'ny zanak'ôlombelona, matonga ny maraina ho aizigna, ary magnosiosy ny toerana avon'ny Tany. Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro, no agnarany."

Chapter 4

1Tainô zao teny zao, anareo ry aombivavin'i Basana, anareo ze aigny antendrombotran'i Samaria, anareo ze mampahory ny mahantra, anareo ze manorotoro ny malahelo, anareo ze milaza amin'ny vadinareo hoe: "Itondrao zava-pisotro zahay." 2Efa nianiana tamin'ny fahamasinany ny Tompo Yaveh hoe: "Ho avy ny andro ze itaritany an'nareo amin'ny firango, ary sisa aminareo amin'ny fintana.3Hivôka akeo am'le vaky amin'ny mandan'ny tanàna anareo, samy hagnitsy am'zany avy, ary atsipy aigny avelagny mankaigny Harmona anareo_ ozy Yaveh."4"Mandeana aigny Betela de magnotà, aigny Gilgala ka ampitomboso ny fahotana, ento isaky ny ampôlakeka ny sorognareo, ny ampafafolonkarenanareo isaky ny telo andro. 5Magnatera sorogna fagnati-pisaorana miaraka amin'ny mofo; milaza fagnati-tsitrapo; lazao reo, fa mafinaritra an'nareo zany, ry zanak'Israely_ zany no lazain'i Tompo Yaveh.6Nameko fagnafodinify anareo taigny amin'ny tanananareo daôly ary tsy fahampen'ny mofo tao amin'ny tôranareo daôly. Kanefa tsy niverigna taminà fôgna anareo_ zany no lazain'i Yaveh. 7Nanakana ny orana tsy ho avy teo aminareo kô Za telo volana talôhan'ny miaka bokata. Nataoko nagnorana tao amin'ny tanàna raika, ary nataoko tsy nagnorana ny tanana hafa. Ny tany sasagny nisy orana, fa ny tany hafa ze tsy mba nisy orana de maigna.8Tanàna rôy na telo no nivembena nankaigny amin'ny tanàna hafa mba hisotrorano, nefa tsy afa-po. Kanefa tsy mbôla niverigna tamina fôgna anareo_ zany no lazain'i Yaveh. 9Nampahory an'nareo tamin'ny fahamaignan'ny voly sy ny bobongolo Za. Ny habetsaky ny sahanareo, ny tanim-bolobokareo, ny kakazon'aviavinareo, ary ny hazon'oliva nareo de efa nohanin'ny valalagna daôly izy daôly. Kanefa tsy niverigna tamina fôgna anareo ozy Yaveh.10Nagnandefa areti-mandringana teo aminareo ôtran'ny taigny Egypta Za. Novonoko tamin-tsabatra ny tovolahinareo, nalaiko ny soavalinareo, ary nataoko teo ambava orognareo ny hamaimbon'ny tobinareo. Kanefa tsy niverigna taminà anareo, ozy Yaveh. 11Nandringana tanàna teo aminareo Za, ôtran'ny nandriganan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomara. Efa salan'ny tapa-porôgna miretra nosontonina avy tao agnaty afo anareo. Kanefa tsy niverigna tamina fôgna anareo, zany no lazain'i Yaveh.12Noho zany de hagnano ra tsy manjary aminareo Za, ry Israely; ary satria hagnano an'zany Za de miomagna hiaogna amin'ny Andriamanitrao ry Israely! 13Fa indro, le nagnano ny tendrombotra no nahary ny rivotra, mampiseho ny heviny amin'ny zanak'ôlombelona, matonga ny maraina ho aizigna, ary magnosiosy ny toerana avon'ny Tany. Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro, no agnarany."
Chapter 5

1Tainô ty teny ze nataoko ho fitaraignana akeo aminao ty, ry zanak'Israely. 2Lavo ny virijin'i Israely ary tsy tafatsangana mitsy izy; nalavo tamin'ny taniny izy; ary tsisy na de raika aza hanangana an'azy.3Fa zao no lazain'i Tompo Yaveh: "Le tanàna ivoahan'ny arivo de hanagna zato tavela, ary ze namoka zato de hanagna folo tavela ze an'ny zanak'Israely."4Fa zao no lazain'i Yaveh tamin'ny zanak'Israely hoe: "Karao Za ho velona anao! 5Aza mikaraka an'i Betela; na miditra aigny Gelgala; aza mandeha aigny Beri-sheba. Fa Gilgala de ho azo babo, ary atao tsinotsino i Betela.6Karao i Yaveh de ho velona ianao, fa raha tsy zany de hivôka ôtran'ny afo akao amin'ny fianakaven'i Josefa Izy. Handevona zany, ary tsy hisy na iza na iza hamono an'zany aigny Betela. 7Reo ôla reo de hamadika ny rariny ho mangidy ary hanipy ny fahamarinana amin'ny tany!"8ndriamanitra nagnano an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy; magnova ny haizigna ho maraina Izy; nagnano ny andro maizigna miaraka amin'ny alina Izy ary magnantso ranon'ranomasina ary magnidigna an'reo amin'ny tany Izy. Yaveh no agnarany! 9Mitondra fandringanana tampoka akeo amin'ny matanjaka Izy mba ho tonga akeo amin'ny fiarovana mafy ny fandravana.10Mankahala ny ôla daôly ze magnitsy an'azy reo akao amin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, ary mankahala ny ôla daôly ze milaza ny marina zareo. 11Satria nagnitsakitsaka ny mahantra anao ary miaka anjara vary aminazy, ka na de nanangana tragno vita tamin'ny vato aza anao, de tsy hipetraka akao am'zany. Managna tanim-boaloboka tsara anao, kanefa tsy hisotro ny divain'zany.12Fa fantatro ny isan'ny helokareo sy ny fahotanareo de anao ze nampahory ny rairiny sy mandray kolikoly ary mivily miala am'reo ôla mila fagnampena akao amin'ny vavahadin'ny tanàna. 13Noho zany de mangigna am'zany ny ôla manantsaigna, satria andro mampahory zany.14Karao ny tsara fa aza ny ratsy mba ho velona anao. Noho zany Yaveh, le Andriamanitry ny maro, de tegna homba an'nao, araka ze efa nolagninao Izy. 15Ialao ny ratsy, tiavo ny tsara, atsangano ny rariny akeo amin'ny vavahadin'ny tanàna. Angamba Yaveh le Andriamanitry ny maro hamindra fo am'reo sisa navelan'i Josefa.16Noho zany, zao no lazain'i Yaveh, le Andriamanitry ny maro hoe: "Ny fisaonana de ho amin'ny reo ankalamanjana, ary hilaza an'zany aigny amin'ny lalambe daôly zareo, 'Loza, loza!' Hagnantso an'reo mpamboly mba ho amin'ny fisaonana zareo ary reo malahelo mba higololoka. 17Hisy fisaonana akao am'reo tanimboaloboka daôly, satria handalo akao ampovônareo Za," hoy Yaveh.18Loza ho an'nareo ze magniry ny andron'i Yaveh! Nagnino anareo no magniry ny andron'i Yaveh? Ho fahamaizinana zany ary tsisy hazavana, 19ôtran'ny ôla milefa liona sy bera mifanena aminazy, na miditra akao amin'ny tragno sy mametraka ny tagnany akeo amin'ny manda ary magnekitra an'azy ny menaragna. 20Fa anga ma ny andron'i Yaveh tsy aizigna fa tsy fahazavana? Haizim-pito ary tsisy mangiragna?21Halako, ary ataoko tsinotsino ny andro firavoravônareo, ary tsy ho hagnitra ankasitrana akeo Amina ny fivorenareo. 22Na de manolotra fagnatitra dorôna sy fagnatitra hoanina Aminà aza anareo, de tsy handray an'reo Za, na hijery ny fagnati-pihavanana ataonareo.23Atsaharo ny tabataban'ny hiranareo tsy hitaino ny feon'ny lokanganareo Za. 24Fa kosa avilay hikorigna ôtran'ny rano ny rariny, ary fahamarinana ôtran'ny renirano misosa moramora.25Nitondra sorogna sy fagnatitra taigny agn'efitra nandritra ny efapolo taona ho Anà ma anareo, ry zanak'Israely? 26Hanandratra an'i Sokata ho mpanjakanareo anareo, ary kiona, andriamanitry ny kintanareo__ sampinareo.27Noho zany de alefako sesitany mihôtra an'i Damaskosy anareo, "ozy Yaveh, ze Andriamanitry ny maro no agnarany.

Chapter 5

1Tainô ty teny ze nataoko ho fitaraignana akeo aminao ty, ry zanak'Israely. 2Lavo ny virijin'i Israely ary tsy tafatsangana mitsy izy; nalavo tamin'ny taniny izy; ary tsisy na de raika aza hanangana an'azy.3Fa zao no lazain'i Tompo Yaveh: "Le tanàna ivoahan'ny arivo de hanagna zato tavela, ary ze namoka zato de hanagna folo tavela ze an'ny zanak'Israely."4Fa zao no lazain'i Yaveh tamin'ny zanak'Israely hoe: "Karao Za ho velona anao! 5Aza mikaraka an'i Betela; na miditra aigny Gelgala; aza mandeha aigny Beri-sheba. Fa Gilgala de ho azo babo, ary atao tsinotsino i Betela.6Karao i Yaveh de ho velona ianao, fa raha tsy zany de hivôka ôtran'ny afo akao amin'ny fianakaven'i Josefa Izy. Handevona zany, ary tsy hisy na iza na iza hamono an'zany aigny Betela. 7Reo ôla reo de hamadika ny rariny ho mangidy ary hanipy ny fahamarinana amin'ny tany!"8ndriamanitra nagnano an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy; magnova ny haizigna ho maraina Izy; nagnano ny andro maizigna miaraka amin'ny alina Izy ary magnantso ranon'ranomasina ary magnidigna an'reo amin'ny tany Izy. Yaveh no agnarany! 9Mitondra fandringanana tampoka akeo amin'ny matanjaka Izy mba ho tonga akeo amin'ny fiarovana mafy ny fandravana.10Mankahala ny ôla daôly ze magnitsy an'azy reo akao amin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, ary mankahala ny ôla daôly ze milaza ny marina zareo. 11Satria nagnitsakitsaka ny mahantra anao ary miaka anjara vary aminazy, ka na de nanangana tragno vita tamin'ny vato aza anao, de tsy hipetraka akao am'zany. Managna tanim-boaloboka tsara anao, kanefa tsy hisotro ny divain'zany.12Fa fantatro ny isan'ny helokareo sy ny fahotanareo de anao ze nampahory ny rairiny sy mandray kolikoly ary mivily miala am'reo ôla mila fagnampena akao amin'ny vavahadin'ny tanàna. 13Noho zany de mangigna am'zany ny ôla manantsaigna, satria andro mampahory zany.14Karao ny tsara fa aza ny ratsy mba ho velona anao. Noho zany Yaveh, le Andriamanitry ny maro, de tegna homba an'nao, araka ze efa nolagninao Izy. 15Ialao ny ratsy, tiavo ny tsara, atsangano ny rariny akeo amin'ny vavahadin'ny tanàna. Angamba Yaveh le Andriamanitry ny maro hamindra fo am'reo sisa navelan'i Josefa.16Noho zany, zao no lazain'i Yaveh, le Andriamanitry ny maro hoe: "Ny fisaonana de ho amin'ny reo ankalamanjana, ary hilaza an'zany aigny amin'ny lalambe daôly zareo, 'Loza, loza!' Hagnantso an'reo mpamboly mba ho amin'ny fisaonana zareo ary reo malahelo mba higololoka. 17Hisy fisaonana akao am'reo tanimboaloboka daôly, satria handalo akao ampovônareo Za," hoy Yaveh.18Loza ho an'nareo ze magniry ny andron'i Yaveh! Nagnino anareo no magniry ny andron'i Yaveh? Ho fahamaizinana zany ary tsisy hazavana, 19ôtran'ny ôla milefa liona sy bera mifanena aminazy, na miditra akao amin'ny tragno sy mametraka ny tagnany akeo amin'ny manda ary magnekitra an'azy ny menaragna. 20Fa anga ma ny andron'i Yaveh tsy aizigna fa tsy fahazavana? Haizim-pito ary tsisy mangiragna?21Halako, ary ataoko tsinotsino ny andro firavoravônareo, ary tsy ho hagnitra ankasitrana akeo Amina ny fivorenareo. 22Na de manolotra fagnatitra dorôna sy fagnatitra hoanina Aminà aza anareo, de tsy handray an'reo Za, na hijery ny fagnati-pihavanana ataonareo.23Atsaharo ny tabataban'ny hiranareo tsy hitaino ny feon'ny lokanganareo Za. 24Fa kosa avilay hikorigna ôtran'ny rano ny rariny, ary fahamarinana ôtran'ny renirano misosa moramora.25Nitondra sorogna sy fagnatitra taigny agn'efitra nandritra ny efapolo taona ho Anà ma anareo, ry zanak'Israely? 26Hanandratra an'i Sokata ho mpanjakanareo anareo, ary kiona, andriamanitry ny kintanareo__ sampinareo.27Noho zany de alefako sesitany mihôtra an'i Damaskosy anareo, "ozy Yaveh, ze Andriamanitry ny maro no agnarany.
Chapter 6

1Lozan'reo ze miadana akao Ziona, ary ho an'reo ze milamina akao amin'ny tendrombotran'i Samaria, reo ôlo-milaza avy am'reo firenena tsara, ze hatongavan'ny taranak'Israely mba ho vonjena! 2Ozy ny mpitarika nareo: "Mandiana aigny Kalne ka mitazagna; avy akao de mandiana any Hamata, le tanàna geda; avy akeo midigna aigny Gatan'ny Filistina. Fa nga ma tsara noho reo fanjakana roy reo? Anga ma geda ny fahitanareo ny faritanin-jareo?"3Loza ho an'reo ze mampiemotra ny andro ny loza sy mampagnankeky ny seza fiandrianan'ny loza. 4Mandry akeo ampandrena ivory zareo ar mitsotsotra akeo amparafaran-jareo. Minana ny zanak'ondry avy am'reo ondry aman'osy zareo ary zanak'ondry avy am'finanam-bilogna.5Nihira an'reo hira adaladala tamin'ny feon'ny harpa zareo; sy namorona zava-magneno salan'ny nataon'i Davida. 6Nisotro divay tamin'ny vile jobo zareo, ary nihosotra diloilo tegna tsara, nefa tsy nalahelo tamin'ny faharavan'i Josefa.7Ka hande an-tsesitany niaraka am'reo sesi-tany voalôny zareo am'zao, ary ny firavoravôn'reo ze mitsilailay de ho fôgna. 8"Za, Tompo Yaveh, de efa nianina tamin'ny tagnako_ zany no lazain'i Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro, halako ny fieboebon'i Jakoba; halako ny fiarovana mafiny. Ka hanolotra ny tanàna sy ze akao aminazy daôly Za."9Ary raha misy folo lahy tavela akao an-dragno raika, de ho foaty daôly zareo. 10Raha misy havan'ny maty tonga mba hiaka ny fatin-jareo de ny raika ze handoro ny fatin-jareo afaran'ny hitondrany an'reo faty mivôka ny tragno_ ka raha amin'ny ôla akao an-dragno izy hoe: "Misy ôla miaraka aminao ma akao?" Raha mamaly zany ôla zany hoe: "Tsia". De hiteny izy hoe: "Mangigna, fa ôka tsika tsy hannognona ny agnaran'i Yaveh."11Fa, indro, hagnome baiko i Yaveh, ka ho rava ny tragno ngeda, ary ho potika ny tragno kely.12Fà anga ma misy soavaly miazakazaka amin'ny harambato? Misy ôla mampagnosy aomby ma aigny? Nefa namadika ny famarinana ho poizina anareo ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty. 13Anareo ze mifaly amin'i Lodebara, ze magnano hoe: "Anga ma tsy efa niaka an'i Karnaina tamin'ny herinay fôgna Zahay?"14Nefa indro hanangana firenena hanotra an'nareo Za, ry zanak'Israely_ zany no lazain'i Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro. Hampahory an'nareo manomboka akeo Lebo-hamata ka hatraigny amin'ny lohasahan-drekan'i Araba zareo."

Chapter 6

1Lozan'reo ze miadana akao Ziona, ary ho an'reo ze milamina akao amin'ny tendrombotran'i Samaria, reo ôlo-milaza avy am'reo firenena tsara, ze hatongavan'ny taranak'Israely mba ho vonjena! 2Ozy ny mpitarika nareo: "Mandiana aigny Kalne ka mitazagna; avy akao de mandiana any Hamata, le tanàna geda; avy akeo midigna aigny Gatan'ny Filistina. Fa nga ma tsara noho reo fanjakana roy reo? Anga ma geda ny fahitanareo ny faritanin-jareo?"3Loza ho an'reo ze mampiemotra ny andro ny loza sy mampagnankeky ny seza fiandrianan'ny loza. 4Mandry akeo ampandrena ivory zareo ar mitsotsotra akeo amparafaran-jareo. Minana ny zanak'ondry avy am'reo ondry aman'osy zareo ary zanak'ondry avy am'finanam-bilogna.5Nihira an'reo hira adaladala tamin'ny feon'ny harpa zareo; sy namorona zava-magneno salan'ny nataon'i Davida. 6Nisotro divay tamin'ny vile jobo zareo, ary nihosotra diloilo tegna tsara, nefa tsy nalahelo tamin'ny faharavan'i Josefa.7Ka hande an-tsesitany niaraka am'reo sesi-tany voalôny zareo am'zao, ary ny firavoravôn'reo ze mitsilailay de ho fôgna. 8"Za, Tompo Yaveh, de efa nianina tamin'ny tagnako_ zany no lazain'i Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro, halako ny fieboebon'i Jakoba; halako ny fiarovana mafiny. Ka hanolotra ny tanàna sy ze akao aminazy daôly Za."9Ary raha misy folo lahy tavela akao an-dragno raika, de ho foaty daôly zareo. 10Raha misy havan'ny maty tonga mba hiaka ny fatin-jareo de ny raika ze handoro ny fatin-jareo afaran'ny hitondrany an'reo faty mivôka ny tragno_ ka raha amin'ny ôla akao an-dragno izy hoe: "Misy ôla miaraka aminao ma akao?" Raha mamaly zany ôla zany hoe: "Tsia". De hiteny izy hoe: "Mangigna, fa ôka tsika tsy hannognona ny agnaran'i Yaveh."11Fa, indro, hagnome baiko i Yaveh, ka ho rava ny tragno ngeda, ary ho potika ny tragno kely.12Fà anga ma misy soavaly miazakazaka amin'ny harambato? Misy ôla mampagnosy aomby ma aigny? Nefa namadika ny famarinana ho poizina anareo ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty. 13Anareo ze mifaly amin'i Lodebara, ze magnano hoe: "Anga ma tsy efa niaka an'i Karnaina tamin'ny herinay fôgna Zahay?"14Nefa indro hanangana firenena hanotra an'nareo Za, ry zanak'Israely_ zany no lazain'i Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro. Hampahory an'nareo manomboka akeo Lebo-hamata ka hatraigny amin'ny lohasahan-drekan'i Araba zareo."
Chapter 7

1Zao no natoron'i Yaveh taminà, namorona valalagna betsaka be izy rafa nanomboka niakata ny vokatry ny lohataona, ary indro tara ny vokatra tao afaran'ny vokatry ny mpanjaka. 2Rafa avy ninana ny vokatry ny tany zareo, de ozy za: "Ry Tompo Yaveh, mba mamindra fo aminà, atao akôry ny haveloman'i Jakoba? Satria tegna kely izy?" 3nampitsatra ny momba an'zany Yaveh mba tsy hiseho zany ozy Izy.4Zao no natoron'ny Tompo anà: "Indro, nagnatso amin'ny fitsaran'ny afo ny Tompo Yaveh. Ze nagnamaigna ny tany malalaka, ny rano laligna ambanin'ny tany ary handevona ny tany kô. 5Kanefa ozy za hoe: "Tompo Yaveh o, ajanony re; manakôry ny haveloman'i Jakoba? Fa tegna kitika izy." 6De nampitsahatra ny momba an'zany i Yaveh hoe: "Tsy hitranga kô zany," ozy ny Tompo Yaveh.7Zao no natorony anà: Indro, nitsangana takeo ankekin'ny rindrigna ny Tompo, niaraka tamin'ny vato pilao teo an-tagnany. 8Yaveh nagnano tamina hoe: "Ry Amosa, ino no tazagnao?" De ozy za: "Vato pilao milatra." Ary ozy ny Tompo hoe: "Indro, hametraka pilao akeo amin'ny Israely ôloko Za. Tsy hamindra fo amin-jareo intsony Za.9Horavana reo fitôrana avon'i Isaka, hopotena reo fitôrana masin'ny Israely, ary hitsangana hanotra amin'ny sabatra ny taranak'i Jerosalema Za."10Ary Amazia, le mpisoron'i Betela, nandefa hafatra taigny amin'i Jeroboama, mpanjakan'Israely hoe: "Efa nitetika ny hanotra an'nao akeo agnivon'Israely i Amosa. Tsy zakan'ny tany reo teniny daôly. 11Fa zao no tenin'i Amosa: 'Ho foaty amin'ny sabatra i Jeroboama, ary ho sesi-tany hiala amin'ny taniny kosa ny Israely."'12Amazia niteny tamin'i Amosa hoe: "Ry mpahita, miviregna aigny amin'ny tanini Joda ary minàna mofo sy maminagnia aigny. 13Fa aza maminagny aketo Betela intsony, satria toerana masin'ny mpanjaka sy tragnon'ny mpanjaka ty."14De ozy Amosa tamin'i Amazia hoe: "Tsy mpaminagny ze efa zanaky ny mpaminagny. Mpiambina ondry sy mpikaraka amontana ary aviavy za. 15Fa naika anà taigny ampiambesana ondry i Yaveh ary niteny taminà hoe: "Mandiana ka maminagnia amin'Israely ôloko."16Ka mitainô ny tenin'i Yaveh. Ozy anao hoe: "Aza maminagny hanotra an'Israely, ary aza miteny hanotra an'Isaka." 17Noho zany de zao no lazain'i Yaveh: "Hanjary mpivaro-tegna ny vadinao; reo zanakao lahy sy reo zanakao vavy de ho lavon'ny sabatra; horefisina ny taninao ary hozaraina; ho foaty amin'ny tany maloto anao, ary halefa sesi-tany hiala akao amin'ny taniny ny Israely.""

Chapter 7

1Zao no natoron'i Yaveh taminà, namorona valalagna betsaka be izy rafa nanomboka niakata ny vokatry ny lohataona, ary indro tara ny vokatra tao afaran'ny vokatry ny mpanjaka. 2Rafa avy ninana ny vokatry ny tany zareo, de ozy za: "Ry Tompo Yaveh, mba mamindra fo aminà, atao akôry ny haveloman'i Jakoba? Satria tegna kely izy?" 3nampitsatra ny momba an'zany Yaveh mba tsy hiseho zany ozy Izy.4Zao no natoron'ny Tompo anà: "Indro, nagnatso amin'ny fitsaran'ny afo ny Tompo Yaveh. Ze nagnamaigna ny tany malalaka, ny rano laligna ambanin'ny tany ary handevona ny tany kô. 5Kanefa ozy za hoe: "Tompo Yaveh o, ajanony re; manakôry ny haveloman'i Jakoba? Fa tegna kitika izy." 6De nampitsahatra ny momba an'zany i Yaveh hoe: "Tsy hitranga kô zany," ozy ny Tompo Yaveh.7Zao no natorony anà: Indro, nitsangana takeo ankekin'ny rindrigna ny Tompo, niaraka tamin'ny vato pilao teo an-tagnany. 8Yaveh nagnano tamina hoe: "Ry Amosa, ino no tazagnao?" De ozy za: "Vato pilao milatra." Ary ozy ny Tompo hoe: "Indro, hametraka pilao akeo amin'ny Israely ôloko Za. Tsy hamindra fo amin-jareo intsony Za.9Horavana reo fitôrana avon'i Isaka, hopotena reo fitôrana masin'ny Israely, ary hitsangana hanotra amin'ny sabatra ny taranak'i Jerosalema Za."10Ary Amazia, le mpisoron'i Betela, nandefa hafatra taigny amin'i Jeroboama, mpanjakan'Israely hoe: "Efa nitetika ny hanotra an'nao akeo agnivon'Israely i Amosa. Tsy zakan'ny tany reo teniny daôly. 11Fa zao no tenin'i Amosa: 'Ho foaty amin'ny sabatra i Jeroboama, ary ho sesi-tany hiala amin'ny taniny kosa ny Israely."'12Amazia niteny tamin'i Amosa hoe: "Ry mpahita, miviregna aigny amin'ny tanini Joda ary minàna mofo sy maminagnia aigny. 13Fa aza maminagny aketo Betela intsony, satria toerana masin'ny mpanjaka sy tragnon'ny mpanjaka ty."14De ozy Amosa tamin'i Amazia hoe: "Tsy mpaminagny ze efa zanaky ny mpaminagny. Mpiambina ondry sy mpikaraka amontana ary aviavy za. 15Fa naika anà taigny ampiambesana ondry i Yaveh ary niteny taminà hoe: "Mandiana ka maminagnia amin'Israely ôloko."16Ka mitainô ny tenin'i Yaveh. Ozy anao hoe: "Aza maminagny hanotra an'Israely, ary aza miteny hanotra an'Isaka." 17Noho zany de zao no lazain'i Yaveh: "Hanjary mpivaro-tegna ny vadinao; reo zanakao lahy sy reo zanakao vavy de ho lavon'ny sabatra; horefisina ny taninao ary hozaraina; ho foaty amin'ny tany maloto anao, ary halefa sesi-tany hiala akao amin'ny taniny ny Israely.""
Chapter 8

1Zao no natoron'ny Tompo Yaveh tamiko. Indro, nisy harogna feno voankazo masaka fahavaratra! 2Ozy Izy hoe: "Ino no hitanao, ry Amosa? De ozy za hoe: "Harogna misy voankazo masaka fahavaratra." De ozy i Yaveh tamina hoe: "Efa tonga amin'Israely ôloko ny farany; tsy hamindra fo amin-jareo intsony za. 3Ho tonga fidradradradrana ny hiran'ny tempoly. Tam'zany andro zany_ zany no lazain'i Tompo Yaveh. Ho maro reo maty de hatsipin-jareo mangingigna aigny reo!"4Taino zao, anareo ze nagnitsaka ny oary sy magnilika ny mahantra. 5Hiteny zareo hoe: "Am'vena no ho tapitra ny volana vaovao, mba azahôntsika mivarotra vary, ary ny sabata ho tapitra mba azahôntsika manokatra lava-bary? Hataontsika kely ny famarana, ary hampakarina ny vidimbary, ary hangaladanja amin'ny mizana tsika. 6Zany de mba azahôntsika mivarotra ny vary ratsy, vidio amin'ny volafotsy ny ory, ary amin'ny kiraro ny mahantra."7Nianiana tamin'ny firearean'i Jakoba i Yaveh hoe: "Tegna tsy ho adinoko mandrakizay mitsy ny nataon-jareo." 8Ka tsy hihorohoro am'zany ma ny tany, ary ny ôla daôly monigna akao hitomagny? Ny ankabeazan'zany de ho tondraka ôtran'ny Onin'i Neily, ary hihegna ndre zany, salan'ny Ognin'i Egypta.9De ho avy zany amin'io andro io_ zany no lazain'i Yaveh, fa hampijibika ny masoandro amin'ny mitatao vovonana Za, ary hagnamaizigna ny tany amin'ny antoandro-lahinjanahary. 10Hamadika ny firavoravônareo ho fisaonana Za ary reo hiranareo daôly ho fitomagnena. Hampagnanôvako akanjo fisaonana daôly anareo ary ho kakasako ny lôhan'ny tsiraikaraika. Hagnano an'zany ho salan'ny fisaonana zanaka lahy tokana zany, ary ho andro mangidy ny fiafaran'zany.11Indro, ho avy ny andro ozy i Yaveh, ze agnaterako silaona amin'ny tany, tsy silaona amina mofo, na hetahetan-drano fa amin'ny fandrignesana ny tenin'i Yaveh. 12Hivembena hatraigny amin'ny ranomasina zareo ary hiazakazaka avy aigny avaratra ka hatraigny antsinanana mba hikaraka ny tenin'i Yaveh, nefa tsy hahita an'zany zareo.13Am'zany andro zany reo virijiny tsara tarehy sy reo gaondahy de ho refogna hetaheta. 14Reo ze nianiana tamin'ny fahotan'i Samaria (Fagnamariana: Raha tokony hoe: "ny fahotan'i Samaria" misy am'reo dikan-teny sasagny magnano hoe: "Asima an'i Samaria" Asima no agnaran'ny andriamani-bavin'ny Pagna notompoina taigny amin'ny faritry Syria sasagny. Ary nagnano hoe: Raha mbôla miaigna kô ny andriamanitrao ry Dana, ary hoe: Raha mbôla misy kô ny lalana mankaigny Beri-sheba, ny lahatsoratra Hebreo misy hoe: Raha mbôla misy kô ny lalana mankaigny Beri-sheba, ze mety manondro ze andianan'ny vahôka hanompo an'reo sampin'ny Beri-sheba mety efa nolazaina. Kanefa reo dikan-teny sasagny te hagnova an'le lahatsoratra Hebreo mba ho vakina hoe: Raha mbôla miaigna kô ny tian'i Beri-sheba. Aketo ny tia" de midika sampy ze tompona aigny Beri-sheba;) de ho lavo zareo ary tsy hitsangana intsony."

Chapter 8

1Zao no natoron'ny Tompo Yaveh tamiko. Indro, nisy harogna feno voankazo masaka fahavaratra! 2Ozy Izy hoe: "Ino no hitanao, ry Amosa? De ozy za hoe: "Harogna misy voankazo masaka fahavaratra." De ozy i Yaveh tamina hoe: "Efa tonga amin'Israely ôloko ny farany; tsy hamindra fo amin-jareo intsony za. 3Ho tonga fidradradradrana ny hiran'ny tempoly. Tam'zany andro zany_ zany no lazain'i Tompo Yaveh. Ho maro reo maty de hatsipin-jareo mangingigna aigny reo!"4Taino zao, anareo ze nagnitsaka ny oary sy magnilika ny mahantra. 5Hiteny zareo hoe: "Am'vena no ho tapitra ny volana vaovao, mba azahôntsika mivarotra vary, ary ny sabata ho tapitra mba azahôntsika manokatra lava-bary? Hataontsika kely ny famarana, ary hampakarina ny vidimbary, ary hangaladanja amin'ny mizana tsika. 6Zany de mba azahôntsika mivarotra ny vary ratsy, vidio amin'ny volafotsy ny ory, ary amin'ny kiraro ny mahantra."7Nianiana tamin'ny firearean'i Jakoba i Yaveh hoe: "Tegna tsy ho adinoko mandrakizay mitsy ny nataon-jareo." 8Ka tsy hihorohoro am'zany ma ny tany, ary ny ôla daôly monigna akao hitomagny? Ny ankabeazan'zany de ho tondraka ôtran'ny Onin'i Neily, ary hihegna ndre zany, salan'ny Ognin'i Egypta.9De ho avy zany amin'io andro io_ zany no lazain'i Yaveh, fa hampijibika ny masoandro amin'ny mitatao vovonana Za, ary hagnamaizigna ny tany amin'ny antoandro-lahinjanahary. 10Hamadika ny firavoravônareo ho fisaonana Za ary reo hiranareo daôly ho fitomagnena. Hampagnanôvako akanjo fisaonana daôly anareo ary ho kakasako ny lôhan'ny tsiraikaraika. Hagnano an'zany ho salan'ny fisaonana zanaka lahy tokana zany, ary ho andro mangidy ny fiafaran'zany.11Indro, ho avy ny andro ozy i Yaveh, ze agnaterako silaona amin'ny tany, tsy silaona amina mofo, na hetahetan-drano fa amin'ny fandrignesana ny tenin'i Yaveh. 12Hivembena hatraigny amin'ny ranomasina zareo ary hiazakazaka avy aigny avaratra ka hatraigny antsinanana mba hikaraka ny tenin'i Yaveh, nefa tsy hahita an'zany zareo.13Am'zany andro zany reo virijiny tsara tarehy sy reo gaondahy de ho refogna hetaheta. 14Reo ze nianiana tamin'ny fahotan'i Samaria (Fagnamariana: Raha tokony hoe: "ny fahotan'i Samaria" misy am'reo dikan-teny sasagny magnano hoe: "Asima an'i Samaria" Asima no agnaran'ny andriamani-bavin'ny Pagna notompoina taigny amin'ny faritry Syria sasagny. Ary nagnano hoe: Raha mbôla miaigna kô ny andriamanitrao ry Dana, ary hoe: Raha mbôla misy kô ny lalana mankaigny Beri-sheba, ny lahatsoratra Hebreo misy hoe: Raha mbôla misy kô ny lalana mankaigny Beri-sheba, ze mety manondro ze andianan'ny vahôka hanompo an'reo sampin'ny Beri-sheba mety efa nolazaina. Kanefa reo dikan-teny sasagny te hagnova an'le lahatsoratra Hebreo mba ho vakina hoe: Raha mbôla miaigna kô ny tian'i Beri-sheba. Aketo ny tia" de midika sampy ze tompona aigny Beri-sheba;) de ho lavo zareo ary tsy hitsangana intsony."
Chapter 9

1Natazagna ny Tompo nitsangana takeo ankekin'ny alitara za, ka ozy Izy hoe: "Vilezo ny tendron'reo andry mba hiozonkozogna reo fototra. Potipoteho ho aigny amin'ny lohan-jareo daôly aigny, ary ho vonò amin'ny sabatra ze sisa tavela. Tsisy raika ho afaka milefa aminjareo. 2Na handavaka au=igny amin'ny fiaignan-tsi-hita aza zareo de ny tagnako no hiaka an'azy reo aigny. Na de hiakatra aigny an-dagnitra aza zareo, de entiko midigna.3Na de misitrika aigny antampon'i Karmela aza zareo de hikaroka ary hiaka an'azy reo aigny Za. Na de nisitrika aigny ambanin'ny ranomasina aza zareo de hagniraka menaragna aigny Za, ary hagnekitran'azy reo zany. 4Na de lasan-ko babon'ny fahavalony ka entin-jareo, de hagnome baiko ny sabatra Za, ary hamono an'azy reo zany. Hijery an'azy reo fôgna ny masoko mba hatonga loza fa tsy hagnano soa an'azy reo."5Yaveh Tompon'ny maro de nikasika ny tany ary nanjary maigna zany; ze miaigna am'zany daôl de misaona; ho tondraka ôtran'ny Ogny zany daôly zany, ary hihegna ndre ôtran'ny ognin'i Egypta, 6Izy no nagnambotra ny tragnony aigny an-dagnitra ary efa nametraka andohalambony eran'ny tany. Nagnantso ny ranomasina Izy, ary nagnidigna an'zany teo amin'ny tany, Yaveh no agnarany.7Tsy ôtran'ny vahôkan'i Etiopia ma anareo amina, ry zanak'Israely? zany no lazain'i Yaveh. Tsy nitondra an'Israely nivôka an'i Egyptz dy reo filistina avy aigny Kreta, ary reo Syriana avy taigny Kira ma Za? 8Indro ny mason'ny Tompo Yaveh, mivandrigna an'ty fanjakana mpanota ty, ary hamongotra an'azy tsy ho akeo ambonin'ny tany za, kanefa tsy hamotika tanteraka ny taranak'i Jakoba ozy i Yaveh.9Indro hagnome baiko, ary hagnozongozogna ny zanak'Israely akeo amin'ny firenena daôly Za, salan'ny ôla manivana vary amin'ny sivana mba hilatsan'ny vato kely amin'ny tany. 10Ny mpanota daôly avy amin'ny vahôkako de ho foaty amin'ny sabatra de reo ze milaza hoe: 'Tsy ahazo an'nay ny loza.'11Am'zany andro zany de hanangana ny tragno-dain'i Davida ze roba Za, ary hanampina an'reo banga. Hatsangako reo rava, ary hamboariko ho ôtran'ny tamin'ny andro fahiny zany. 12Mba hanagnan-jareo ny sisa tavelan'i Edoma, ary ny firenena daôly ze nantsovina tamin'ny agnarako, zany no lazain'i Yaveh, ze nagnano an'zany.13Indro, ho avy le andro ozy Yaveh rafa matakatra ny fijinjana ny mpiasa tany, ary reo mpitango voaloboka de hatakatra an'azy ze mamboly ny voany. Reo tendrombotra de hampiboiboika divay mamy, ary reo tanety daôly de hikoriagna miaraka am'zany.14Ho entiko miverigna avy aigny amin'ny fahababôna ny zanak'Israely vahôkako. Hanangana an'reo tanàna rava zareo ary hipetraka am'zany, hamboly ny tanimboloboka zareo ary hisotro ny divay, ary hagnano saha zareo ary hinana ny vokatra avy am'zany. 15Hamboly an'zany amin'ny tanin-jareo Za, ary tsy hongotana akeo amin'ny tany ze nameko an'azy reo intsony mitsy zareo," ozy i Yaveh Andriamanitrareo.

Chapter 9

1Natazagna ny Tompo nitsangana takeo ankekin'ny alitara za, ka ozy Izy hoe: "Vilezo ny tendron'reo andry mba hiozonkozogna reo fototra. Potipoteho ho aigny amin'ny lohan-jareo daôly aigny, ary ho vonò amin'ny sabatra ze sisa tavela. Tsisy raika ho afaka milefa aminjareo. 2Na handavaka au=igny amin'ny fiaignan-tsi-hita aza zareo de ny tagnako no hiaka an'azy reo aigny. Na de hiakatra aigny an-dagnitra aza zareo, de entiko midigna.3Na de misitrika aigny antampon'i Karmela aza zareo de hikaroka ary hiaka an'azy reo aigny Za. Na de nisitrika aigny ambanin'ny ranomasina aza zareo de hagniraka menaragna aigny Za, ary hagnekitran'azy reo zany. 4Na de lasan-ko babon'ny fahavalony ka entin-jareo, de hagnome baiko ny sabatra Za, ary hamono an'azy reo zany. Hijery an'azy reo fôgna ny masoko mba hatonga loza fa tsy hagnano soa an'azy reo."5Yaveh Tompon'ny maro de nikasika ny tany ary nanjary maigna zany; ze miaigna am'zany daôl de misaona; ho tondraka ôtran'ny Ogny zany daôly zany, ary hihegna ndre ôtran'ny ognin'i Egypta, 6Izy no nagnambotra ny tragnony aigny an-dagnitra ary efa nametraka andohalambony eran'ny tany. Nagnantso ny ranomasina Izy, ary nagnidigna an'zany teo amin'ny tany, Yaveh no agnarany.7Tsy ôtran'ny vahôkan'i Etiopia ma anareo amina, ry zanak'Israely? zany no lazain'i Yaveh. Tsy nitondra an'Israely nivôka an'i Egyptz dy reo filistina avy aigny Kreta, ary reo Syriana avy taigny Kira ma Za? 8Indro ny mason'ny Tompo Yaveh, mivandrigna an'ty fanjakana mpanota ty, ary hamongotra an'azy tsy ho akeo ambonin'ny tany za, kanefa tsy hamotika tanteraka ny taranak'i Jakoba ozy i Yaveh.9Indro hagnome baiko, ary hagnozongozogna ny zanak'Israely akeo amin'ny firenena daôly Za, salan'ny ôla manivana vary amin'ny sivana mba hilatsan'ny vato kely amin'ny tany. 10Ny mpanota daôly avy amin'ny vahôkako de ho foaty amin'ny sabatra de reo ze milaza hoe: 'Tsy ahazo an'nay ny loza.'11Am'zany andro zany de hanangana ny tragno-dain'i Davida ze roba Za, ary hanampina an'reo banga. Hatsangako reo rava, ary hamboariko ho ôtran'ny tamin'ny andro fahiny zany. 12Mba hanagnan-jareo ny sisa tavelan'i Edoma, ary ny firenena daôly ze nantsovina tamin'ny agnarako, zany no lazain'i Yaveh, ze nagnano an'zany.13Indro, ho avy le andro ozy Yaveh rafa matakatra ny fijinjana ny mpiasa tany, ary reo mpitango voaloboka de hatakatra an'azy ze mamboly ny voany. Reo tendrombotra de hampiboiboika divay mamy, ary reo tanety daôly de hikoriagna miaraka am'zany.14Ho entiko miverigna avy aigny amin'ny fahababôna ny zanak'Israely vahôkako. Hanangana an'reo tanàna rava zareo ary hipetraka am'zany, hamboly ny tanimboloboka zareo ary hisotro ny divay, ary hagnano saha zareo ary hinana ny vokatra avy am'zany. 15Hamboly an'zany amin'ny tanin-jareo Za, ary tsy hongotana akeo amin'ny tany ze nameko an'azy reo intsony mitsy zareo," ozy i Yaveh Andriamanitrareo.

Jonah

Chapter 1

1Ary tonga teo amin'i Jona zanaka lahin'i Amitahy ny tenin'i Yaveh magnano hoe:2 "Mitsangana ary mandiana aigny Ninive, ze tanana tegna geda ary miresaha ny momba an'zany, satria efa niakatra teo agnatreko ny fahatsen-jareo." 3Fa nitsangana i Jona nande taigny Tarsisy. Nidigna taigny Jopa ary natazagna sambo hiala ho aigny Tarsisy. Ka de nalòany ny saran-dalana ary niakatra tam'le sambo izy niaraka tamin-jareo ho aigny Tarsisy izy, mba ho lavitry ny fagnatrehan'Andriamanitra.4Fa nandefasan'i Yaveh rivo-mahery taigny amin'ny ranomasina ary de nanjary tafio drivotra teo amin'ny ranomasina zany. Vetiketika teo de tazagna fa ho potika le sambo. 5Ary nanjary natatra mafy reo tantsambo ka nagnantso mafy ny andriamanitr'zareo manokana. Natsipin-jareo taigny agnaty ranomasina ny entana tao am'le sambo mba hagnamaivana an'zany. Fa Jona kosa nidigna laligna tao am'le sambo, ary niantsilagny renoky ny torimaso tao.6Ka nagnatogna an'azy ny kapitenin-tsambo ary nitare taminazy hoe: "Nagnino anao no mandry? Mitsangana! Antsovo ny andriamanitrao! Mety mba hijery antsika ny andriamanitrao ka tsy ho foaty tsika." 7Nifampiresaka zareo daôly nagnano hoe: "Magnatogna, andao tsika hagnano ankitsapaka, mba hafantarantsika hoe: iza no anton'zao loza nitranga amintsika zao." Ka nataon-jareo ny ankitsapaka, ary nitontogna tamin'i Jona zany.8 ozy zareo tam'JOna hoe: Mba teneno aminay re zao anton'zao loza nitranga amintsika zao. Ino no asanao, ary avy aiza anao? Ino ny firenenao, ary avy amin'ny vahôka aiza anao? 9Ozy Jona tamin-jareo hoe: "Hebreo za, ary matatra an'i Yaveh le Andriamanitry ny lagnitra ze nagnano ny ranomasina sy ny tany maigna". 10Ary vao maika niha natatra reo leila niteny tam'Jona hoe: "Fa ino ty ataonao?" Fa fantatr'reo leila fa nilefa ny fagnatren'i Yaveh izy satria nolazainy tamin-jareo.11Ary ozy zareo tam'Jona hoe: "Ino no tokony hataonay aminao mba hampilamina ny ranomasina ho an'nay?" Satria niha-nagnonja mafy de mafy ny ranomasina. 12Ozy i Jona tamin-jareo hoe: "Batao za ary atsipazo aigny agnaty ranomasina. Ary ho togny ny ranomasina satria fantatro fa noho za no natonga an'zao tafio-drivotra zao hitranga aminareo." 13Na de zany aza de namoky mafy reo leila mba hampiverigna an'azy reo aigny an-tanety, saigny tsy afaka nagnano an'zany zareo satria niha nahery ny ranomasina nanotra an'azy reo.14Noho zany de nagnatso mafy an'i Yaveh zareo any nagnano hoe: "Miangavy Aminao zahay ry Yaveh, mifona Aminao zahay aza avela ho foaty nohon'ny aignan'ty leilà ty zahay, ary aza agnamelôna an'nay ny fahafatesany satria Anao, Yaveh de efa nagnano araka ze sitraky ny fonao." 15Ka de nobatain-jareo i Jona ary natsipin-jareo taigny agnaty ranomasina, ary de nijanona tsy nagnonja ny ranomasina.16 Avy teo de natatra mafy an'i Yaveh reo leila. Nanolotra sorogna ho an'i Yaveh ary nagnano voady.17Ary efa nagnomagna hazandrano gedabe hiteligna an'i Jona i Yaveh, ka de nijanona tao amin'ny kibon'le hazandrano telo andro sy telo alina i Jina.
Chapter 2

1Avy teo de nivavaka tamin'i Yaveh Andriamaniny avy tao ankibon'le hazandrano i Jona. 2Ozy izy hoe: "Nagnantso an'i Yaveh nagnolôna ny fahorenako za ka namaly ana Izy; avy taigny ankibon'ny fiaignan-tsy hita no nagnatsovako vonjy! De regninao ny feoko.3Efa natsipinao taigny amin'ny laligna za, taigny amin'ny farany laligna tamin'ny ranomasina, ary nagnodidigna anà ny herin-dreka, nanafotra anà daôly ny onja ny alon-dranonao. 4Ozy za hoe: 'Voarôka tsy ho akeo agnolonan'ny masonao za, kanefa de mbôla hitodika hagnatrika ny tempolinao masina.'5Nihidy nagnodidigna ana hatraigny amin'vozoko ny rano; ary nagnodidigna anà tokôtra ny laligna; maningotra nagnodidigna ny lôhako ny ahidrano. 6Nidigna taigny ampotitr'reo tendro-botra za, de nihidy taminà mandrakizay ny tany sy ny hidiny. kanefa mbôla nampiakatra ny aignako tao agnaty lavaka Anao ry Yaveh Andriamanitro.7Raha reraka tato agnatiko ny fagnako de nagnantso an'i Yaveh tato antsaignako za de tonga tao Aminao ny vavaka nataoko tao amin'ny tempolinao masina. 8Reo ze mitaino andriamanitra tsisy varany de magnary ny fahatokinao magnolona an'azy reo.9Fa raha ny aminà kosa de hagnano sorogna ho Anao am'reo feo fanoloram-pisaorana za; ho tanteraka ze efa nagnanôvako voady. 10Avy amin'ny Yaveh ny famonjena!" De niteny tamin'ny hazandrano i Yaveh ary de nalôany taigny amin'ny tany maigna i Jona.
Chapter 3

1Ary tonga tam'Jona fanindrôiny ndre ny tenin'i Yaveh nagnano hoe: 2"Mitsangàna, mandiana mankaigny Ninive, le tanàna geda ary torio aminazy ny hafatra ze andidiko an'nao." 3Ary de nitsangana Jona ka nankaigny Ninive tamin'ny fankatoavana ny tenin'i Yaveh. Ary Ninive de tanàna geda tokotra raika am'reo lalana telo andro.4Nanomboka niditra ny tanàna i Jona tafaran'ny lalana indray andro de nagnantso mafy izy ary niteny hoe: "Ho ravana i Ninive ao agnatin'ny efa polo andro." 5Nino an'Andriamanitra ny vahôka tao Ninive ary nagnantso fifadian-kanina zareo. Nagnano lamba fisaonana daoly zareo, hatramin'ny geda ka hatramin'ny kely amin-jareo.6Vetiketika teo de tonga tam'mpanjakan'i Ninive le vaovao. De nitsangana avy teo amin'ny seza fiandrianany izy, nagnala ny ankanjony boninahiny, ary nanarogna ny tegnany tam'fisaonana, ary nipetraka tamina lavenona. 7Nandefa fagnambarana izy ary nilaza hoe: "Aketo Ninive amin'ny fahefan'ny mpanjaka sy ny ôlo-manan-kajany ôka tsy hisy ôla na biby na aomby na ondry aman'osy hikasika ra. Oka tsy hinana zareo, na hisotro rano.8Fa ôka ny biby sy ny ôla hisarogna lamba fisaonana ary ôka zareo hitaraigna mafy amin'Andriamanitra. Oka ny tsiraikaraika zamy hiala amin'ny lalan-dratsiny sy ny amin'ny hery setra ze akeo an-tagnany. 9Iza no mahalala? Mety hanegnina ihany Andriamanitra ka hiova hevitra ary hiala amin'ny fahavignirany ka tsy ho ringana tsika."10Hitan'Andriamanitra ny nataon-jareo, fa miala tamin'ny lalan-dratsiny zareo. Noho zany de niova hevitra Andriamanitra ny amin'ny famaizana ze nolazainy hataony amin-jareo ka tsy nataony zany.
Chapter 4

1Tsy nahafaly an'i Jona zany ka nanjary sosy mafy izy.2 Noho zany de nivavaka tamin'i Yaveh Jona ary nagnano hoe: "Oh ry Yaveh, tsy zao ma no efa nolazaiko taminao rafa tafaverigna tamin'ny fireneko za? Zany no antony nihitseko volôny sy niezahako nilefa taigny Tarsisy_ satria fantatra fa Andriamanitra manankarem-pahasoavana, maharipo, malaigna ho sosy feno fatokina, ary manegnina amin'ny fandefasana loza Anao. 3Ka am'zao ary ry Yaveh mitalaho aminao za, alao aminà ny aignako, fa tsara amina ny maty toy zay ho velona."4Ozy Yaveh hoe: "Manjary ma zao fahasosenao lôatra zao?" 5De nivôka ny tanana i Jona ary nipetraka teo amin'ny ilany ambony amin'ny tanàna. Taigny no nagnanovany fialofana ka nipetraka teo ambanin'ny alok'zany izy mba hatazagnany an'ze hanjo ny tanàna.6Nagnomagna kakazo Yaveh Andriamanitra ka nampaniry an'zany teo ambonin'i Jona hagnalokaloka ny lôhany mba hagnamaivagna ny fahorenany. Tegna faly tokôtra i Jona noho ny am'le kakazo. 7Saingy nagnomagna kankana Andriamanitra tamin'ny fipoahan'ny masoandro ny amaraigna ampolakeka. Namely ny kakazo zany ka de maigna le kakazo.8Ary rafa nitôka ny masoandro ny amaraigna ampolakeka de nagnomagna rivotra mamay avy aigny atsinana Andriamanitra, ka namely ny lôhan'i Jona ny masoandro hany ka lany hery izy. De nagniry ny hafatesany i Jona. Ozy izy tamin'ny tegnany hoe: "Aleoko maty toy zay ho velona."9 Ary ozy Andriamanitra tam'Jona: "Mety ma zao hasosenao am'le kakazo zao?" De ozy Jona hoe: "Mety ny fahasoseko, na ho amin'ny fahafatesana aza."10Ozy Yaveh hoe: "Nangoraka an'le kakazo anao, ze tsy nambolenao, na nampanirinao. Naniry tao agnatin'ny alina raika zany ary maty tao agnatin'ny alina raika. 11Salan'zany kô ny Amina, tsy tokony hangoraka an'i Ninive le tanàna gedabe, ze misy vahôka mihoatra ny zato sy roa alina ze tsy mahalala ny fahasamihafana akeo amin'ny tagnana ankavanan'ny tagnana ankaven-jareo sy reo biby fiompy maro ko ma Za?"

Micah

Chapter 1

1Zao no tenin'i Yaveh ze tonga tamin'i Mika Morastita tamin'ny andron'i Jotama, Ahaza, sy Hezekia, reo mpanjakan'ny Joda, ny teny ze hitany nahakasika an'i Samaria sy Jerosalema.2Mitainô, anareo ry vahôka. Mitainô ry tany, se ze akeo aminao daôly. Ôka ny Tompo Yaveh no ho vavolombelona hanohitra an'nareo, ny Tompo avy akao am'tempoliny masina. 3Indro, Yaveh mivôka avy akao am'fitôrany; hidigna Izy ary hande aigny amin'reo fitôrana ambon'ny tany. 4Reo tanety hiempo akeo ambaniny; reo lôhasaha hitsonika ôtran'ny savoka agnolônan'ny afo, ôtran'ny rano ze aidigna aigny amin'ny hantsagna.5Zany daôly zany de noho ny fikomian'i Jakoba, ary noho reo fahotan'ny taranak'Israely. Ino no anton'ny fikomian'i Jakoba? Ngah ma tsy i Samaria? Ino no anton'reo fitôrana ambon'i Joda? Ngah ma tsy i Jerosalema?6"Hagnano an'i Samaria ho korontam-bato aigny an-tsaha Za, ôtran'ny tôrana fambolem-bôloboka. Hanosika an'reo orim-batony ho aigny an-dôhasaha Za; ka hampiharihary an'reo fagnambaniny. 7Ho vôtorotoro reo sarin-dra vôsikony daôly; ary ho may daôly reo fagnomezany. Reo sampiny daôly hopotehiko. Satria avy am'reo fagnomezana ho an'ny fijangajangany no nanangonany an'regny, ary tam'vidin'ny fivarotan-tegna no hiviregnan'regny."8Noho zany antony zany de hitaraigna sy hidradradradra za; hande tsisy kapa za ary miboridagna; hidradradradra ôtran'ny ambôdia za ary hisaona ôtran'ny vorondolo. 9Fa tsy ho sitragna ntsony ny feriny, satria avy aigny Joda zany. Efa nahatakatra ny vavahadin'ny vahôkako zany, de aigny Jerosalema. 10Aza milaza ny momba an'zany aigny Gata; aza mitomagny avy. Akao Beti-le-afra za no magnosim-jofo ny tegnako.11Mandalôva amim-piboridagnana sy hegnatra, ry mponin'i Safira. Aza mivôka ry mponin'i Zanana. Ôka hisaona i Beti-haezela, satira nalàna ny fiarôvanjareo. 12Fa mandigny amim-pitaintaignana ny vaovao mahafaly reo mponin'i Marota, satria nilatsaka avy tamin'i Yaveh ho akao am'vavahadin'i Jerosalema ny loza.13Fatoro amin'ny andian-tsôvaly malaky fande ny sarety, ry mponin'i Lakisy. Anao, ry Lakisy, no fendoham-pahotana ho an'ny zanaka vavin'i Ziona, satria hita taigny aminao reo fahalotôn'Israely. 14Ka de hamenao taratasy fisaorana i Moresetagata; ny renivohitr'i Akziba handiso fagnantenana an'reo mpanjakan'Israely.15Hitondra mpandresy ho aigny aminareo ndre Za, ry mponin'i Maresa; ho tonga aigny amin'i Adolama ny famirapiratr'Israely. 16Haraso ny lôhanareo ary tapaho ny volonareo ho an'reo zanakareo ze ankasitrahanareo. Solao ôtan'ny voromahery ny tegnanareo, fa reo zanakareo hande hatao sesi-tany hiala akao aminareo.
Chapter 2

1Loza ho an'ze mamoron-keloka, ho an'ze mikononkonina ny hagnano ratsy akeo am-pandrenany. Amin'ny ampolakeka no agnanôvanjareo an'zany satria managna fahefana zareo. 2Magniry saha zareo ka giazany zany; magniry tragno zareo ka miaka an'zany. Mampahory ôlà sy ny ankohonany zareo, ary ôlà sy ny lovany.3Noho zany de zao no lazain'i Yaveh hoe: "Efa mitondra loza hamely an'zany fianakavena zany Za, ze tsy hagnalanareo ny tendanareo. Tsy hande amim-piavognavognana anareo, satria de ho fotôna ratsy zany. 4Am'zany andro zany de hiventy hira momba an'nareo reo fahavalonareo, ary hisaona amin'ny hira fisaonana. Zareo hihira hoe: 'Rava tanteraka zahay Israelita; Yaveh magnova ny faritanin'ny vahôkako. Akôry no hangalàny an'zany aminà? Mizara an'reo sahanay ho an'reo mpamadika Izy!'" 5Noho zany, anareo ry mpanan-karena de tsy mba hanagna taranaka hizara ny faritany am'loka akao am'fiangonan'i Yaveh.6"Aza maminagny," ozy zareo. "Ôka zareo tsy haminagny an'reo ra reo; ôka tsy ho tonga ny fahafam-baraka". 7Ry taranak'i Jakoba, tokony taravina tokô ma zao hoe: "Sosy ma ny Fagnàn'i Yaveh? Angah ma tegna asany reo?" Tsy mampahatsara an'ze mande mahitsy ma ny teniko? 8Aigny afara kely de hitsangana ôtran'ny fahavalo ny vahôkako. Mangala ny tohitegna, ny akanjo, aigny am'ze mandalo tsy amim-piahiahiana anareo, ôtran'reo maramila miverigna avy aigny agn'ady ho aigny am'ze heveriny fa mandry fahalemana.9Alainareo am'reo tragno mahafinaritra an'njareo ny veivavy am'vahôkako; sontominareo am'zanak'zareo mandrakizay ny fatahiako. 10Mitsangàna ka melà, fa tsy tôrana azonareo pitrana ty, fa maloto; nopotena tam'fahapotehana tanteraka ty. 11Raha misy ôlà tonga aigny aminareo am'fagnàn'ny fandingaina sy lainga ka magnano hoe: "Haminagny aminao momba ny divay sy ra fisotrona mahery za," de heverina ho mpaminagny ho an'zany vahôka zany izy.12Hamory anareo daôly tokô Za, ry Jakoba. Hamory ny sisa amin'Israely tokô Za. Hitondra an'njareo miaraka ôtran'ny ondry akao amin'ny andiany, ôtran'ny andian'ondry akeo ampovôn'ny fihinanam-bilognany Za. Hisy feo ambo noho ny fahabetsahan'ny vahôka. 13Ze ôlà mamaky de magnokatra ny lalanjareo ho an'njareo ka hande akeo alôhanjareo. Hande hamaky ny vavahady zareo ka hivôka; ny mpanjakanjareo no hande akeo agnolônany. Yaveh no ho mpitarika an'njareo.
Chapter 3

1Ozy za: "Mitainô am'zao, anareo ry mpitarik'i Jakoba sy mpanapaka ny taranak'Israely: Tsy aty aminareo ma ny mahatakatra ny fahamarinana? 2Anareo ze mankahala ny tsara sy tè ny ratsy, anareo ze magnendaka ny hoditr'zareo, ny nofonjareo am'tôlagny__ 3anareo ze mihinana ny nofon'ny ôloko ihany kô, ary magnendaka ny hodiny, manapaka ny tôlagny , ary mamakivaky an'njareo, ôtran'ny hena atao akao am-bilagny, sala ny hena atao akao am'fandrahôn-kena.4De hagnantso mafy an'i Yaveh anareo mpanapaka, nefa tsy hamaly an'nareo Izy. Hanitrika ny tavany aminareo Izy am'zany fotôna zany, satria nagnano asa ratsy anareo."5Zao no lazain'i Yaveh momba an'reo mpaminagny ze nampirenireny ny ôloko: "Ho an'ze nampihinana an'njareo de hilaza zareo hoe: 'Hisy fagnambinana.' Fa an'ze tsy nagnisy na ino na ino akao am-bavany, de hanomboka hiady aminazy zareo. 6Noho zany, de ho alina ho an'nareo zany ary tsisy fahitana ho an'nareo; ho maizigna zany mba tsy hagnanôvanareo sikidy. Hilentika am'reo mpaminagny ny masoandro, ary ho maizigna aminjareo ny andro. 7Ho atao megnatra reo mpahita, ary ho vey hevitra reo mpisikidy. Hanampina ny molony izy daôly, satria tsisy valiny avy aty Aminà."8Fa raha aminà, de feno hery noho ny Fagnàn'i Yaveh za, sady feno fahamarinana sy faherezana, mba hagnambara amin'i Jakoba ny helogny, sy amin'Israely ny fahotany.9Mitaonô an'zao, anareo mpitarika ny taranak'i Jakoba, sy mpitondra ny taranak'Israely, anareo ze mankahala fahamarinana, sy magnodigna ny ra marina daôly. 10Manangana an'i Ziona am'rà sy Jerosalema amim-pahotana anareo. 11Mitsara noho ny kolikoly reo mpitsaranareo, mampianatra noho ny tamby reo mpisorognareo, ary maminagny noho ny vola reo mpaminagninareo. Nefa anareo miankina amin'i Yaveh ka magnano hoe: "Tsy momba an'ntsika ma Yaveh? Ka de tsisy ratsy hahazo an'ntsika."12Noho zany, noho anao, de hasaina ôtran'ny saha i Ziona, ho korontam-bato i Jerosalema, ary ho sala ny tanety rakotr'ala ny hambosan'ny tempoly.
Chapter 4

1Fa amin'ny andro farany de hiorina akeo am'reo tendrombotra hafa ny tendrombotran'ny tragnon'i Yaveh. Hasandratra ambonin'reo tanety zany, ary hitalazotra hankaigny am'zany reo vahôka.2Hande reo firenena maro ka hagnano hoe: "Ave, ande ntsika hiakatra aigny an-tendrombotran'i Yaveh, aigny an-dragnon'Andriamanitr'i Jakoba. Hampianatra an'ntsika reo fombany Izy, ary hande am'reo lalany ntsika." Fa avy akao Ziona no ivoahan'ny lalàna, ary avy akao Jerosalema ny tenin'i Yaveh. 3Hitsara am'reo vahôka maro Izy ary hanapa-kevitra mahakasika an'reo firenena maro alavitra. Hanefy ny sabatr'zareo ho angady zareo ary ny sabôny ho fagnetezana. Tsy hanangana sabatra hifamely ny firenena, na hizatra ho amin'ny ady ntsony.4Fa kosa, hametraka ny ôlà tsiraikaraika ambanin'ny vôlobogny sy ambanin'ny kakazon'aviaviny zareo. Tsisy ôlà hampatàtra an'njareo, fa ny vavan'i Yaveh Tompon'ny maro ny efa niteny. 5Fa ny vahôka daôly de mande, ny tsiraikaraika, amin'ny agnaran'ny andriamaniny. Fa ntsika de hande amin'ny agnaran'i Yaveh Andriamanitsika mandrakizay doria.6"Am'zany andro zany" ozy Yaveh de "Hagnangona ny malemy sy hamory an'reo vôrôka Za, de reo ze nampahoreko. 7Hataoko ho sisa tavela ny malemy, ary ho firenena matanjaka reo ze vôrôka, ary Za, Yaveh, no hanjaka aminjareo akao an-Tendrombotran'i Ziona, am'zao ary mandrakizay. 8Ary anao, ry tilikambo fiambesana ny ondry amagn'osy, tanetin'ny zanakavavin'i Ziona__ de ho tonga aminao zany, haverigna ny fanapahanao talôha, de ny fanjakana ze an'ny zanakavavin'i Jerosalema.9Am'zao, nagnino no mihiaka mafy anao? Tsisy mpanjaka ma akeo aminao? Maty ma ny mpanolotsaignanao? Zany ma no mahatonga ny fanaitaignana mahazo an'nao sala ny veivavy miteraka? 10Ôka hanaintaigna ary hihetsi-jaza raha hiteraka, ry zanakavavin'i Ziona, sala ny veivavy miteraka. Fa am'zao anao de hivôka ny tanàna, hipetraka akaigny an-tsaha, ary hande aigny Babylona. Aigny no hagnavotana an'nao. Aigny no hagnavotan'i Yaveh an'nao akao an-tagnan'reo fahavalonao.11Am'zao mivondrogna hanohitra an'nao reo firenena maro; ozy zareo; 'Ôka ho vôloto izy; ôka ny masontsika hifaly amin'i Ziona.'" 12Ozy ny mpaminagny: '"Tsy fantatr'zareo ny eritreritr'i Yaveh, sady tsy takany ny fikasany, fa efa namory an'njareo sala ny amboara ho akeo am-pamolôna Izy."13Ozy Yaveh: "Mitsangàna ka mivileza, ry zanakavavin'i Ziona, fa hataoko vy ny tandrokao, aray hataoko varagna ny kitronao. Hanorotoro vahôka maro anao. Za hanokana an'reo haregnany tsy ara-drariny ho an'ny tegnako, Yaveh, ny fanagnanjareo ho Anà, le Tompon'ny tany manontolo."
Chapter 5

1Am'zao miaraha tonga akao am'filaharan'ady, ry zanakavavin'reo maramila; efa nametraka tovon-tany magnodidigna ny tanàna reo maramila, am'tsora-kakazo no hamilesany ny mpitsaran'ny Israely akeo am'tareny. (Fagnamarihina: Raha tokony hoe: "miaraka tonga am'filaharan'ady", reo mpandika teny sanagny mandika hoe: "Tapao ny tegnanareo", manondro ny fanompôn-tsampin'ny fiteten-tegna raha mivavaka am'reo sampy. Reo dikan-teny sanagny vavao ihany kô de magnaraka ny dikan-teny talô ze vakina hoe: "Atsangano reo fiarôvanareo.")2Nefa anao, ry Betlehema Efrata, na de kely indrindra akeo am'reo fokon'i Joda aza anao, de akao aminao no ivoahan'ny ôlà hankeo Aminà mba hanapaka ny Israely, ze hatram'reo fotôna talôha ny fendohany, ka haharitra mandrakizay. 3Noho zany de hahafoy an'azy reo Andriamanitra, hatram'fotôna hibotron'ze mihetsi-kibo zazakely, ary ny tavela am'reo anadahiny de hiverigna aigny am'vahôkan'Israely.4Hitsangana Izy ary hiambina ny ondry aman'osy amin'ny herin'i Yaveh, am'voninàtran'ny agnaran'i Yaveh Andriamaniny. Hijanona zareo, ary satria ho leibe hatraigny am'faran'ny tany Izy. 5Ho fiadanantsika Izy. Rafa tonga akao am'tanintsika reo Asyriana, rafa magnano diabe hanohitra an'reo fiarôvana mafintsika zareo, de hitsangana hanohitra an'njareo am'mpiambina ondry fito sy mpitarika valo am'reo ôlà ntsika.6Hiambina ny tanin'ny Asyria amin-tsabatra zareo, ary akeo am'fidirana akao am'zany ny tanin'i Nimroda. (Fagnamarihina: Ny lahatsoratra Hebreo de magnano hoe: "Akeo am'fidirana akao am'zany," zany hoe, akeo am'reo vavahadiny. Na zany aza, reo dikan-teny vaovao sanagny de mihevitra fa ny teny Hebreo hafa de noheverina hoe: "Am'sabatra vôtsôka".) Hagnavotra an'ntsika amin'ny Asyriana Izy, rafa tonga akao am'tanintsika zareo, rafa magnano diabe agnatin'ny faritanintsika zareo. 7Ny sisa tavela am'Jakoba de ho akeo ampovônin'reo vahôka betsaka, sala ny ando avy amin'i Yaveh, sala ny ranon'orana akeo amin'ny àtra-maitso, ze tsy mandigny ôlà, ary tsy mandigny ny zanak'ôlombolena zareo.8Ny sisa tavela amin'i Jakoba de ho akeo am'reo firenena, akeo am'reo vahôka betsaka, ôtran'ny liona akeo am'reo biby aigny agn'ala, ôtran'ny liona tanora akeo am'reo andian'ondry. Rafa mamakivaky akao am'reo izy, de hagnosihosy an'reo sy hamotipotika an'reo, ary tsisy ôlà hamonjy an'njareo. 9Hisandratra hamely an'reo fahavalonao ny tagnanao, ka hamotika an'njareo zany.10"Zao no hitranga am'zany andro zany " ozy Yaveh, "Hovonòko akao aminao reo sôvalinao ary hopotehiko reo saretinao. 11Horavàko reo tanàna akao am'taninao ary harobako ny mandanao daôly.12Hopotehiko ny sikisy akao an-tagnanao, ary tsy hanagna mpisikidy ntsony anao. 13Hopotehiko reo sary sikotrao sy reo tsangam-batonao akao aminao. Tsy hanompo ny asa-tagnanao ntsony anao. 14Hofongoriko akao aminao reo baon'aserahanao, ary horavàko reo tanànanao. 15Hagnatanteraka valifaty amin-pahasosena sy fahavignirana akeo am'reo firenena ze tsy nankatò Za."
Chapter 6

1Am'zao mitainô an'ze lazain'i Yaveh: "Mitsangàna ary alaharo akeo agnatrehan'reo tendrombotra ny raharahanareo; ôka reo tanety handregny ny feonareo. 2Mitainô ny adin'i Yaveh, anareo tendrombotra, sy anareo fagnambany maharitry ny tany. Fa managna ady am'vahôkany i Yaveh, ary hiady hanohitra ny Israely akeo am'fitsarana Izy."3"Ry ôloko, ino no nataoko an'nareo? Nanakôry no nandrerahako an'nareo? Mitsangàna ho vavolombelona hanohitra Anà! 4Fa nindesiko niakatra hivôka ny tany Egypta anareo ary navotako hivôka ny tragno fagnandevozagna. Nagniraka an'i Mosesy, Arona, ary Miriama taminareo Za. 5Ry ôloko, tsarôvo ze noheverin'i Balaka mpanjakan'i Moaba, sy ny fomba namalen'i Balama zanak'i Beora an'azy raha nande nankaigny Sitima ka hatraigny Gilgala anareo, mba hahafahanareo mahafantatra ny asa-marin'i Yaveh."6Ino no tokony ho ndesiko ho an'i Yaveh, raha menkòka akeo amin'Andriamanitra Avo za? Tokony ho tonga akeo Aminazy miaraka am'fagnatitra dorôna, am'zanak'aomby herintaona ma za? 7Yaveh ma hankasitraka ondrilahy agn'arivony, na ognina menaka agn'aliny? Tokony hagnolotra ny lahimatoako noho ny heloko ma za, le naterako noho fahotako ihany? 8Efa niteny an'nao Izy, ry ôlà, hoe ino ny tsara, ary ino no taken'i Yaveh aminao: Magnanôva ny marina, tiava amim-pahatsorana, ary mandiana amin-panitren-tegna miaraka amin'Andriamanitrao.9Magnano fagnambarana am'tanàna ny feon'i Yaveh__ na ny fahendrena aza am'zao de miaiky ny agnaranao: "Tainô ny tsoraka-kakazo, sy ny ôlà ze nametraka an'zany tam'fitôrany. (Fagnamarihina: Raha tokony hoe: "Tainô ny tsoraka-kakazo sy ny ôlà ze nametraka an'zany takao am'fitôrany" no akao am'lahatsoratra Hebreo, sy reo dikan-teny sanagny vaovao magnano hoe: "Mitainô, ry foko, sy ze miara-miangona akao an-tanàna.") 10Misy harena akao an-dragnon'ny ratsy fagnà tsy marina, ary fandrefesana mandaiga ze fahavetavetana.11Tokony hihevita ny ôlà ho tsy manan-tsigny ma Za raha mampiasa mizàna mandainga izy, miaraka amin'ny harogna fandanjana mamitaka? 12Feno herisetra ny mpanan-karena, nefa nilaza lainga reo mponina, ary mpamitaka ny lelany akao am-bavany.13Noho zany de namely an'nao tam'ratra maharary Za, efa nataoko ho rava noho reo fahotanao anao. 14Hihinana anao fa tsy ho afa-po; hijanona akao agnatinao ny hanoananao. Hihary harena anao fa tsy hahangona, ary ze azonao de hameko ny sabatra. (Fagnamarihina: Sarotra takarina ny ampahany am'ty andininy ty, satria misy teny Hebreo rôy akao am'zany ze tsy fantatra ny dikany. Vokatr'zany, reo vakiteny maro samihafa de nanolotra fa magnaraka ny dikan-teny sanagny vaovao.) 15Hamafy anao fa tsy handidy; hagnitsakitsaka oliva anao fa tsy hosotra menaka; hagnosihosy vôloboka anao fa tsy mba hisotro divay.16Reo fitsipika nataon'i Omry de efa vôtandrina, ary reo asan'ny taranak'i Ahaba daôly. Mande araka ny torohevitr'zareo anao. Ka hataoko, ho faharavana, anao ry tanàna, ary ra mampisitrisitra anareo ry mponina, ary hizaka latsa ôtran'ny vahôkako anareo. (Fagnamarihina: Ny lahatsoratra Hebreo de magnano hoe: "Hizaka latsa ôtran'ny ôloko anao", reo dikan-teny Grika talôha magnano hoe: "Hizaka ny latsan'reo firenena anao." Reo dikan-teny vaovao sanagny de magnaraka an'io vakiteny io.)
Chapter 7

1Lozako! Fa aminà zany de ôtran'ny ho tapitra ny fitangosana vônkazo, sady fanangonana ny ambim-bôloboka kô akao am'tanim-bôloboka: Tsisy sampam-bôloboka hita ntsony, tsisy tam'reo aviavy nialin-taona ze niriako fatratra. 2Nanjavona tam'tany ny ôlà mahatoky, tsisy ôlo-mahitsy akao amin'ny ôlombelona daôly. Mikotrika handatsa-drà zareo daôly; ny tsiraikaraika mihaza ny rahalàny amin'ny haratony ihany.3Matselaka am'fagnanôvan-dratsy ny tagnanjareo: mitaky vola reo mpitondra, vonona am'kolikoly ny mpitsara, ary milaza am'reo hafa ze tèny ho azo ny leilà matanjaka. De salan'zany no iarahany miteti-dratsy. 4Ny tsara indrindra aminjareo de ôtran'ny roy, ny mahitsy indrindra de fefy tsilo. Zany de andro efa vôlazan'reo mpitilinao melôha, de ny andro famaizana an'nareo. Zao no fotônan'ny fahaverezan-kevitr'zareo.5Aza mahatoky mpiara-belona; aza mametra-pitokisana am'namana. Tandremo ze lazainao na de am'veivavy ze mandry akeo an-tsandrinao aza. 6Fa haniratsira ny rainy ny zanaka lahy, hitsangana hanohitra an-dreniny ny zanaka vavy, ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafozam-baviny. Ny ôlà akao an-dragnony ihany no fahavalon'ny ôlà.7Fa raha za alôha, de hitazagna an'i Yaveh za, handigny ny Andriamanitry ny famonjena anà za; hitaino anà ny Andriamanitro. 8Aza mifaly aminà, ry fahavaliko. Fa rafa lavo za, de hiarina ndre. Raha mipetraka akao amin'ny aizigna za, de Yaveh no ho fahazavana ho anà.9Satria nagnota tamin'i Yaveh za, de hizaka ny fahasoseny mandra-pandavany ny teniko, sy hagnatanterahany fitsarana ho anà. Hitondra anà ho akeo am'fahazavana Izy, ary hahita an'Azy magnavotra anà akao am'fahamarinany za.10De hahita an'zany reo fahavaloko, ka ny hegnatra no hanarogna an'ze niteny taminà hoe: "Aiza Yaveh Andriamanitrao?" Hijery an'azy ny masoko; ho vôhosihosy ôtran'ny fotaka aigny an-dalana izy.11Ho tonga ny andro hananganana ny mandanao; am'zany andro zany de hitarina hatraigny alavitra reo faritaninao. 12Am'zany andro zany de ho tonga aminao ny vahôkanao, avy aigny Asyria sy reo tanàna aigny Egypta, avy aigny Egypta ka hatraigny am'renirano geda, Eofrata, avy am'ranomasina ka hatraigny am'ranomasina, ary avy am'tendrombotra ka hatraigny am'tendrombotra. 13Reo tany reo de lôsana noho ny vahôka ze mipetraka akao am'zao, noho ny vokatry ny asanjareo.14Ambeso am'tsoraka-kakazonao ny vahôkanao, de ny ondry aman'osin'ny lovanao. Mijanona rerika aigny agnaty ala zareo, akeo ampovônin'ny tanimboly. Ôka zareo handraoka aigny Basana sy Gileada ôtran'ny tamin'ny andro talôha. 15Ôtran'ny tamin'ny andro ze nivoahanao ny tany Egypta, de haneho fahagagana an'njareo Za.16Hatazagna ary ho megnatry ny heriny daôly reo firenena. Hitampim-bava zareo; haregnina ny sofinjareo. 17Hilelatra ny jofo ôtran'ny bibilava, ôtran'ny zava-boaary ze mikisaka am'tany zareo. Hivôka avy akao an-davagny amin-tàtra zareo; ho avy amin-tàtra akeo Aminao zareo, ry Yaveh Andriamanitray, ary hatàtra noho Anao.18Iza no Andriamanitra ôtra Anao, Anao ze mangala fahotana, Anao ze mandalo ambonin'ny heloky ny sisa tavela am'lovanao? Tsy mitàna ny fahasosenao mandrakizay Anao, satria tènao ny maneho ny famindram-ponao aminay.19Haforaigna Anao ndre zahay; hagnitsaka an'reo helokay akao ambany tongotrao Anao. Hanary ny otanay daôly akao am'reo lalign'ny ranomasina Anao. 20Hagnome ny marina ho an'i Jakoba sy famindram-po ho an'i Abrahama Anao, ôtran'ny nifantanao tam'reo razambenay tam'reo andro talôha.

Zechariah

Chapter 1

1Tamin'ny volana faha valo tamin'ny taona faharô nitondran'i Dariosa, de tonga tam'Zakaria zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'i Ido, mpaminagny ny tenin'i Yaveh, milaza hoe: 2"Sosy lôtra tam'reo razambenareo i Yaveh! 3Lazao zareo hoe: 'Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Mitodé Aminà!, zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro de hitodika aminareo Za, ozy Yaveh tompon'ny maro.4Ôka anareo tsy ho salan'ny razambenareo ze nilazan'reo mpaminagny talô magnano hoe: "Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalan-dratsinareo sy ny ra tsy manjary ataonareo!" Fa tsy nitaino zareo ary tsy nagnaô Anà zany no lazain'i Yaveh.' 5Reo razambenareo, aiza zareo? Aiza reo mpaminagny, hijanona aketo mandrakizay ma izy reo? 6Fa ny teniko sy reo lalàko ze nandideko an'reo mpaminagny mpanompoko, tsy efa nihatra tam'reo razambenareo ma zany? Ka nibebaka zareo ary nagnano hoe: 'Araka ze efa nataon'i Yaveh Tompon'ny maro hatao aminay ze mendrika an'reo lalanay sy an'reo asanay, no nataony taminay.""7Tamin'ny andro faha efatra amby ropolo tamin'ny faharaikambefolon'ny volana, ze volan'ny Sebata, tamin'ny taona faharô nitondran'i Dariosa, de tonga tam'Zakaria zanaka lehin'i Berekia zanaka lahin'i Ido, le mpaminagny ny tenin'i Yaveh, milaza hoe:8 "Nahita tamin'ny alina za, ary, fa! nisy leilà raika nitikina sôvaly mena, ary takeo amin'ny kakazo rotra teo andôsaha izy, ary tafarany de nisy sôvaly mena, volontany miloko mena, ary sôvaly fotsy." 9Ozy za hoe: "Ino reto ra reto, ry Tompo?" Avy teo de nisy anjely raika nikoragna taminà, nagnano ho: "Ho atoroko an'nao hoe ino reo ra reo."10Ary le leila ze nitsangana teo amin'ny kakazo rotra namaly ary nitare hoe: "Reo no nalefan'i Yaveh mba hirenireny magnerana ny tany." 11Namaly an'le Anjelin'i Yaveh ze nitsangana teo am'le kakazo rotra zareo, ozy zareo taminazy hoe: "Efa nirenireny nagnerana ny tany zahay; de ny tany daôly mbôla mipetraka sy mbôla mijanona."12De namaly le anjelin'i Yaveh ary nitare hoe: "Ry Yaveh Tompon'ny maro, vena no tsy hamindranao fo am'Jerosalema sy amireo tanànan'i Joda ze efa niharitra fahasosena izay fito polo taona zay?" 13Namaly le anjely ze nikoragna taminà tamin'ny teny soa, sy teny fampaherezan'i Yaveh.14Ka niteny tamina le anjely ze nikoragna tamina hoe: "Magnantsova mafy ary milazà hoe: Zao no lazain'Yaveh Tompon'ny maro: Saro-piaro tamim-pitiavana leibe tam'Jerosalema sy tam'Ziona Za! Sosy mafy am'reo firenena ze milamina reo Za. 15Raha mbôla kely ny hasoseko tam'reo de vao miha ratsy ny fahorenjareo.16Noho zany de zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: efa niverina tam'Jerosalema tamin'ny indrafo Za. Ho vôaorina akao agnaty ny tragnoko_ zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro ary ny tady de ho enjagnina am'Jerosalema!' 17Magnantsova mafy ndre, magnano hoe: 'Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ho tondraka soa ndre reo tananako ary hampahery an'i Ziona ndre Yaveh, ary hisafidy an'i Jerosalema ndre Izy."'18De nanopy ny masoko za ary natazagna tandroka efatra! 19Nagnontany an'le anjely ze nikoragna tamina za hoe: "Ina reo?" Namaly ana izy hoe: "Reo no tandroka ze efa nagnaparitaka an'i Joda sy Israely ary Jerosalema."20Avy teo de nagnatoro mpagnano asa tagnana efatra taminà i Yaveh. 21Ozy za hoe: "Ino no anton-den'reo ôla reo?" Namaly Izy ary niteny hoe: "Reo no tandroka ze nagnaparitaka an'i Joda mba tsy hoisy ôla afaka hanandratra ny lôhany. Fa reo ôla reo de tonga mba handrôka an'azy reo mba handrava ny tandrok'reo firenena ze nanandratra tandroka manòtra ny tanin'i Joda mba hagnaparitaka an'azy."
Chapter 2

1Magnaraka an'zany de nanopy ny masoko za ary natazagna leilà niaraka amina tady fandrefesana taigny an-tagnany. 2Ozy za hoe: "Ande ho aiza anao?" De ozy izy taminà hoe: "Handrefy an'i Jerosalema, hamaritra ny sakany sy ny lavany."3De lasana le anjely ze nikoragna taminà ary nisy anjely hafa nivôka mba hitseza an'azy. 4Ozy le anjely faharô taminazy hoe: "Miazakazaha ary miresàha amin'igny gaondahy igny, lazao hoe: 'Hipetraka akeo amin'ny tanàna mivelatra i Jerosalema nohon'ny hamarôn'ny ôla sy reo biby akao aminazy. 5Fa za de ho tonga manda afo magnodidigna an'azy ary ho voninatra akeo ampovôny Za; zany no lazain'i Yaveh.6Malakilaky! malakilaky! Milefasa ka miala aigny amin'ny tany avaratra, zany no lazain'i Yaveh, fa Za efa nampiely an'nareo ôtran'ny rivotra efatry ny lagnitra Zany no lazain'i Yaveh. 7Eh! milefasa mankaigny Ziona, anareo ze mipetraka miaraka amin'ny zanaka vavin'i Babylone!"'8Fa tafaran'ny nagnomezan'i Yaveh Tompon'ny maro voninatra anà sy ny nandefasany anà hanòtra an'reo firenena ze nandrava an'nareo; fa na iza na iza mikasika an'nareo de mikasika ny anakandriamason'Andriamanitra, rafa avy nagnano an'zany Yaveh de ozy Izy hoe: 9"Za mintsy no hagninjitra ny tagnako amin'jareo ary de ho babo ho an'reo andevony zareo. De ho fantatrareo fa i Yaveh Tompon'ny maro no nagniraka anà.10"Mihirà ho amin'ny fifalena ry zanaka vavin'i Ziona, fa Za mintsy no ho tonga ka hitoby akeo aminareo zany no lazain'i Yaveh." 11Avy akeo reo firenena matanjaka de hiaraka am'i Yaveh am'zany andro zany. Ozy izy hoe: "Ary de ho tonga vahôkako anareo, fa Hitoby akeo ampovônareo Za," ary ho fantatrareo fa Yaveh Tompon'ny maro no nagnirako anà.12Fa Yaveh hampandova an'i Joda araka ny tokony ho izy akaigny am'ny tany masina, ary hifidy ndre an'i Jerosalema ho an'azy. 13Aza mitare, akeo agnatrn'i Yaveh ry nofo daôly fa nitsangana avy tao am'ny tôrany masina Izy!
Chapter 3

1Ary avy takeo Yaveh de nagnatoro anà an'i Josoa le mpisorognabe ze nitsangana nagnolôna ny anjelin'i Yaveh sy satana nitsangana teo an-tagnana ankavanany mba hiampanga an'azy ho mpagnota. 2Ozy le anjelin'i Yavehtam'Satana hoe: "Hiteny mafy anao anie Yaveh, ry Satana; Yaveh, ze nisafidy an'i Jerasolema ane hiteny mafy an'nao! Nga ma tsy forôgna notaritina tamin'ny afo ty?" 3Niakanjo fitafena maloto Josoa raha nitsangana teo agnolônan'le anjely.4Nikoragna le anjely ary nitare tam'reo ze nitsangana teo agnolônany hoe: "Alao aminazy reo fitafena maloto." De ozy izy tam'Josoa hoe: "De, efa nalako taminao ny helokao ary nampiakanjôko akanjo tsara anao." 5Ozy izy hoe: ôka zareo hametraka hamama madio akeo am'lôny!" De nametraka hamama madio teo ambony lôn'i Josoa zareo ary nampiakanjo an'azy tamin'ny akanjo madio raha nitsangana teo ankeky teo le anjelin'i Yaveh.6Ary avy teo le anjelin'i Yaveh nagnome baiko an'i josoa ary niteny hoe:7 "Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Raha hande amin'ny lalako anao, ka hitandrina an'reo didiko, de hifehy ny tragnoko anao ary hiambina ny kianjako, satria avelako hande sy hiditra akeo am'reo ze mitsangana magnolôna Anà anao.8Tainô ry Josoa mpisorognabe, anao sy reo namanao ze mipetraka miaraka aminao! Fa famantarana reo ôla reo satria Za miitsy no hampiakatra ny mpanompoko le Ratsagna. 9Avy zahavo le vato ze napetrako agnolônan'i Josoa. Misy maso fito amin'io vato tokana io, ary hagnano sikotra soratra Za_ zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro ary hagnala ny fahotana am'ty tany ty agnatin'ny indrai-andro Za.10Am'zany andro zany ny ôla tsiraikaraika de hagnasa ny mpiara-belona aminazy mba hipetraka ambanin'ny vôlobogny sy ambenin'ny kakazon'aviaviny. Zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro."
Chapter 4

1Ary avy takeo de nitodika ary nanitra anà ôtran'ny ôla tairina amin'ny torimasony le anjely ze nikoragna taminà. 2Ozy izy taminà hoe: "Ino no hitanao?" De ozy za hoe: "Mahita fagnanôvan-jiro vita amin'ny tegna volamena za, miaraka amin'ny fitôran-jiro akeo antampony. Misy lela fagnanôvan-jiro fito akeo aminazy ary misy fantsona fito akeo an-tampon'ny lahin-jiro isanisany. 3Misy kakazon'oliva rôy agnila'zany, ny raika de amin'ny elan'ny tagnany ankavanan'ny fitôrana menaka ary ny raika hafa de amin'ny ilany ankave."4Noho zany de nikoragna tam'le anjely ze nikoràgna taminà ndre za. Ozy za hoe: "Ino no dikan'reo ra reo Tompoko?" 5Namaly anà le anjely ze nikoragna taminà ary nagnano taminà hoe: "Tsy fantatrareo ma ny dikan'reo ra reo?" De ozy za oe: "Tsia, tompoko."6Noho zany de ozy izy taminà hoe: "Zao no tenin'i Yaveh tam'Zerobabela: Tsy amin-kery na amina tanjaka, fa amin'ny fagnahiko ozy Yaveh Tompon'ny maro. 7Ino ma anao, ry tendrombotra gedabe? Ho tonga tany lemaka akeo agnolonan'i zerobabela anao ary hitondra ny vato atao tendrony izy mba hiorakoraka hoe: "Fahasoavana! Fahasoavana ho am'zany!"'8Tonga taminà ny tenin'i Yaveh, magnano hoe: 9"Nametraka ny fototr'ty tragno ty ny tagnan'Zarobabela ary hamita an'zany ny tagnany. De ho fantatrao fa Yaveh Tompon'ny maro no nagniraka anà hankaty aminao. 10Iza ma no nagnano tsisy dikany ny andron'reo ra madinika reo? Hiravoravo 'reo ôla reo ary hahita ny vato pilao aigny antagnan'i Zerobabela. (Reo lahin-jiro fito reo no mason'i Yaveh ze nitazagna an'zao tontolo zao.)" 11Ary avy takeo de nagnontany an'le anjely za hoe: "Ino ma reo kakazon'oliva rôy ze mitsangana akeo an-kave sy ankavanan'ny fagnanôvan-jiro reo?"12Nagnontany an'azy ndre za hoe: "Inona reo sampagna kakazon'oliva rôy ankekin'reo fantsona volamena rôy ze misy menaka volamena miraraka avy aminazy zareo?" 13Avekeo de ozy izy taminà hoe: "Tsy fantatra ma hoe: ino reo?" Ozy za hoe: "Tsia, ry tompoko."14Noho zany de ozy izy hoe: "Reo ny zanaka vôhosotra menaka vaovao ze mitsagana magnolôna ny Tompon'zao tontolo daôly zao."
Chapter 5

1De nitodika za ka nanopy ny masoko, ka de nahita, indro horognan-taratasy magnembagna! 2De ozy le anjaly taminà hoe: "Ino no hitanao?" De namaly za hoe: "Horognan-taratasy magnembagna no itako, roapolo hakiho ny halavany folo hakiho ny sakany."3De ozy izy tamina hoe: "Ty no ozogna ze mivôka magnerana an'zao tontolo zao, fa ny mpangalatra daôly de ho fongorina manomboka zao ze mivadika am'ze lazainy amin'ny andagniny, ary milaza fifantàna diso daôly de ho fongorina am'ze lazainy amin'ny ankilany, araka ny teninjareo izy reo. 4"Ho avôkako zany, zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro hiditra akao an-dragnon'ny mpangalatra sy am'tragnon'ze mifànta diso amin'ny agnarako zany. De hipetraka akao an-dragnony ary handratra ny kakazony sy reo vatony."5De nivôka le anjely ze nikoragna taminà ka nitare taminà hoe: Andrandrao ny masonao ka jereo ze tonga akeo." 6De ozy za hoe: "Ino igny?" De ozy izy hoe: "Harogna misy vata famarana igny tonga igny. Ty no helok'zareo am'tany irai-manontolo." (Fagnamarina: reo dikanteny talô sasagny sy ny ankamaroan'ny dikanteny am'zao de magnano hoe: heloky zareo. Ny lahatsoratra Hebreo magnano hoe: mason-jareo fa zany de noheverina ho fahadisona.) 7De ozy nalana tamin'ny harogna ny firaka fandrakofana ary nisy veivavy tao ambanin'zany ze nipetraka tao!8De niteny le anjely hoe: "Faharatsena ty!" Natsipiny tao agnaty harogna ndre izy, ary natsipiny takeo am'le fisokafany le firaka fandrakofana. 9De nanopy ny masoko ndre za, ary nahita veivavy rôy magnatogna anà, ary ny rivotra de tam'ny embagn'zareo, fa nanagna embagna salan'ny embagn'ny vaogna zareo. De nanondrotra ny harogna tagnelagnelagny ny tany sy ny lagnitra zareo.10Ka nitare tam'le anjely ze nikoragna taminà za hoe: "Ho ndesin-jareo mankaiza ma ny harogna?" 11De ozy izy taminà hoe: "Hagnamboarana tempoly akaigny am'tanin'i Sinara zany, ka refa vita ny tempoly, de apetraka aigny am'fototra vôomagna."
Chapter 6

1De nitodika za ary nanopy ny masoko ka natazagna kalesa efatra nivôka avy teo agnelagnelagn'ny tendrombotra rôy, ary reo tendrombotra rôy reo de vita tamin'ny varagna. 2Ny kalesa vôlony de managna sôvaly mena, ny kalesa faharô managna sôvaly mainty, 3ny kalesa fahatelo managna sôvaly vanga fotsy, ary ny kalesa faha efatra managna sôvaly vanga fotsy. 4De namaly za ka nitare tam'le anjely nikoragna taminà hoe: "Ino reo tompoko?"5Namaly le anjely ka nitare taminà hoe: Reo no rivotra efatry ny lanitra ze nivôka tamin'ny tôrana ze nitsanganan-jareo tagnolônan'le Tompon'ny tany daôly. 6De le raika ze miaraka amin'ny sôvaly mainty de mivôka mankaigny amin'ny firenena avaratra reo sôvaly fotsy de mivôka mankaigny amin'ny firenena andrefana; ary reo sôvaly vanga fotsy de mivôka mankaigny am'ny firenena atsimo."7Reo sôvaly matanjaka reo de nivôka ary nitady hande hirenireny akaigny am'tany, de ozy le anjely hoe: "Mandana mirenireny enay am'tany!" ary de nande nirenireny eran'ny tany daôly zareo. 8De nitaraigna taminà izy ka nikoragna taminà nilaza hoe: "Zahao ze mivôka ho aigny am'firenena avaratra; hampitogny ny fanahiko momba ny firenena avaratra zareo."9Ary tonga taminà ny tenin'i Yaveh magnano hoe: 10"Mangalà fagnatitra am'reo tany an-tsesitany, avy aigny Helday sy Tobia, ary Jedaia, ary mandiana am'zany andro zany ary alao akao an-dragnon'i Josia zanak'i Zefania, ze avy taigny Babylona zany. 11De alao ny volafotsy sy volamena, magnanôva satro-boninatra any apetao am'lôn'i Josoa zanaka lahin'i Jozadaka le mpisorogna be zany.12Miresàha aminazy ary lazao hoe: 'Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ty leilà ty, ny agnarany de Rantsagna! Hitombo akeo am'ze misy an'azy izy sady hanangana ny tempolin'i Yaveh! 13Izy no hanangana ny tempolin'i Yaveh ary hanangana avo ny famirapiratan'zany; de hipetraka sy handidy akeo amin'ny seza fiandrianany izy. Ho mpisorogna am'seza fiandrianany izy ary hoisy ny fahazavan-tsaignan'ny fiadanana akeo amin-jareo rôy.14Apetraka akeo am'ny tempolin'i Yaveh ny satroboninatra hagnomezam-boninâtra an'i Helema, Tobia, sy Jedaia ary ny fahatsarôvana ny hatsaram-pagnan'ny zanaka lahin'i Zefanie. 15Ary reo ze alavitra de tonga mba hanangana ny tempolin'i Yaveh, ka ho fantatrareo fa Yaveh Tompon'ny maro no nagniraka anà ho aty aminareo!"'
Chapter 7

1Tam'Dariosa mpanjaka no nanapaka nandritra ny efataona tamin'ny andro faha efatra nitondran'i Kisleva (ze volana fahasivy) de tonga tam'Zakaria ny tanin'i Yaveh. 2Nagnandefa an'i Serezera sy Regema-meleka ary reo ôlony ny vahôkan'i Betela, mba hiangavy ankeo agnolônan'ny tavan'i Yaveh. 3Nikoragna tam'reo mpisorogna ze tao an-dragnon'i Yaveh Tompon'ny maro sy tam'reo mpaminagny zareo ozy zareo hoe: "Tokony hisaona amin'ny alalan'ny fifaden-kanina ma za am'volana fahadimy, salan'ny le efa nataoko tam'taona maro talô regny?"4De tonga tamina ny tenin'i Yaveh Tompon'ny maro nagnano hoe: 5"Mitarava amin'ny mponin'ny teny daôly sy am'reo mpisorogna ka atôvo hoe: Raha nifady ahanina sy nisaona tamin'ny volana fahadimy sy fahafito anareo nandritra an'zay fito taona zay, nga ma nifady ahanina ho Ana marina anareo? 6Raha nihinana sy nisotro anareo, nga ma tsy nihinana sy nisotro ho an'ny tegnanareo anareo? 7Nga ma tsy reo teny reo fôgna no nambaran'i Yaveh tamin'ny vavan'reo mpaminagny talô, raha mbôla nipetraka tao Jerosalema sy reo tanàna nagnodidigna tamin'ny fagnambinana ary nipetraka tao Negeva, sy reo lemaka amoron-tsiraka aigny andrefana anareo?"'8Tonga tam'zakaria ny tenin'i Yaveh nagnano hoe: 9"Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: 'Mitsarà am'ny fitsarana marina, fagnikena matoky ary famindram-po. Ôka ny ôla tsiraikaraika hagnano an'zany am'ny rahalahany. 10Ny am'ny mpitondrategna sy kamboty, ny vahiny ary ny ôla mahantra, aza mampahory an'azy ary ôka tsy hoisy aminareo hitetika hagnano ratsy an'azy reo.'11Nefa nandà ny hitaino an'azy reo ary nagnamafy ny hatogny zareo. Nagnidy ny sofigny zareo mba tsy haregny. 12Nagnamafy ny fony salan'ny vato zareo mba tsy haregny ny lalàna na reo tenin'i Yaveh Tompon'ny maro. Nagnandefa hafatra tam'vahôka tamin'ny alaln'ny Fagnahiny tamin'ny fotôna talô, tamin'ny alalan'ny vavan'reo mpaminagny Izy. Nefa nandà ny hitaino ny vahôka, ka sosy mafy tamin-jareo Yaveh Tompon'ny maro.13Ary rafa nagnantso Izy, de tsy nitaino zareo. Salan'zany fôgna," ozy Yaveh Tompon'ny maro, "no agnantsovan-jareo mafy Anà, fa tsy nitaino Za. 14Fa haeliko amin'ny tadio aigny am'reo firenena daôly ze tsy mbôla hitany zareo, ary ho lao magnaraka an'zany reo ny tany. Fa tsisy ôla handalo am'ny tany na hiverigna akao am'zany satria efa namadika ny tanin-jareo mafinaritra ho tany ngazagna ny vahôka."
Chapter 8

1Tonga taminà ny tenin'i Yaveh Tompon'ny maro, nagnano hoe: 2"Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Tegna te an'i Ziona am'ny zotom-po leibe Za ary saropiaro nohon'ny aminazy am'ny hasosena mafy Za! 3Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: hiverina aigny Ziona Za ary hipetraka akao ampovôn'i Jerosalema, fa efa nantsovina hoe le tanànan'ny Fahamarinana i Jerosalema ary ny tendrombotran'i Yaveh Tompon'ny maro de ho antsovina hoe: le tendrombotra Masina!4Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Antidahy sy antibavy ndre no aigny andalamben'i Jerosalema ary ny ôla tsiraikaraika de mela tehina ho antagnany satria efa miha-antitra izy. 5Ho feno gaondahy sy gaonbavy milalao aigny am'reo lalamben'ny tanàna.6Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Am'zany andro zany raha misy ra tsy manjary atao amason'reo vahôka sisa tavela, de tokony tsy ho atao akeo amasoko kô ma zany? izany no fananbaran'ny Yaveh. 7Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Fa de andalam-pagnavotana ny ôloko am'ny tany fipoahan'ny masoandro Za, ary akeo am'ny tany fijibin'ny masoandro! 8Fa hitondra an'zany reo hiverigna Za, ary hipetraka akao ampovôn'i Jerosalema zareo, mba ho vahôkako ndre zareo ary ho Andrimanitr'zareo am'ny marina sy am'fahamarinana Za!9Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Anao ze mbôla mitaino an'reo tany mitovy ze nivôka avy tamin'ny vavan'ny mpaminagny rafa napetraka ny fototry ny tragnoko, de ty tragnoko ty, Yaveh Tompon'ny maro: Atanjaho reo fagnahinao mba ho vita ny tempoly. 10Fa talon'zany andro zany de tsisy vokatra vôangona ny ôla, tsisy tombony na ho an'ny ôla na ny biby, ary tsisy fiadanana ho an'ze ôla mivôka na miditra avy tam'reo fahavalo. Efa nametraka ny ôla tsiraikaraika hanòtra ny namany Za.11Fa am'zao zany de tsy ôtran'ny tamin'ny andro talô, homba ny sisa am'ty taranaka ty Za, zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro. 12Fa hafafy ny voan'ny fiadanana, de hagnome ny voany ny vôloboka ary ny tany hagnome ny vokatry ny fambolena; hagnome ny andony ny lagnitra, fa hampandovako an'zany ra daôly zany ny sisa am'ty vahôka ty.13Ohatra ho an'reo firenena ny vôozogna hafa anareo, ry taranak'i Joda sy taranak'Isaraely. Ka de hamonjy an'nareo Za, ary ho fitahina anareo. Aza matatra, ôka hatanjaka ny tagnanareo! 14Fa zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: salan'ny nagnomagnako hagnano ratsy aminareo, rafa mampatezitra Anà reo razambenareo, ozy Yaveh Tompon'ny maro ary tsy nilefitra Za, 15no nagnomagnako hagnano ra tsara ndre ho an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda kô am'zany andro zany! Aza matatra!16Reto ny ra ze tsy maintsy ataonareo: Milazà ny marina, am'namany ry ôla tsiraikaraika. Mitsarà am'marina, sy ny rariny ary fiadanana akeo am'vavahadinareo. 17Aza magnano fikasan-dratsy akao am-ponareo am'ny hafa, ary aza te fifantana diso satria mankahala an'reo ra reo Za! zany no lazain'i Yaveh."18De tonga taminà ny tenin'i Yaveh Tompon'ny maro magnano hoe: 19"Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ny fifaden-kanina am'ny volana faha efatra sy volana fahadimy sy volana faha fito, ary ny volana faha folo de hanjary fotônan'ny fifalena sy firavoravôna, ary fotôna mahafinaritra ho am'ny taranak'i Joda! Noho zany de tiavo ny fahamarinana sy fiadanana!20Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ho tonga ndre ny ôloko, na de reo mipetraka am'reo tanàna maro samihafa aza. 21Hande ho aigny amin'ny tanàna hafa ny mponin'ny tanàna raika ka hagnano hoe: "Aoka hande malaky akeo agnolônan'i Yaveh tsika ka hikaraka an'i Yaveh Tompon'ny maro! Hande kô tsika. 22Vahôka maro sy firenena matanjaka betsaka no ho tonga hikaraka an'i Yaveh Tompon'ny maro aigny Jerosalema ary hiangavy ny fankasitran'i Yaveh!23Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Am'zany andro zany de hoisy leilà folo avy am'fiteny sy firenena daôly hitana ny sisin'akanjonao ary hitare hoe: 'Ôka hiaraka aminareo zahay, fa regninay fa momba an'nareo Andriamanitra!"'
Chapter 9

1Zao no lazain'i Yaveh momba ny tenin'i Hadraka sy Damaskosy. Fa ny mason'i Yaveh de am'ny olombelona daôly, ary kô amin'ny fokon'Israely daôly. 2Ty filazana ty kô de makasika an'i Hamata, ze mifagnolotra am'Damaskosy ary momba an'i Tyro sy Sidona izany, na de tegna hendry aza zareo.3Efa nagnorina fiarovana mafy ho an'ny tegnany i Tyro ary nagnandroka volafotsy salan'ny jofo sy volamena voadio salan'ny fotaka aigny an-dalana. 4Indro! hagnafôgna an'azy Andriamanitra ary handratra ny tanjagny an-dranomasina mba ho levon'ny afo izy.5Hatazagna i Askelona ka hatatra! Hangitakitaka mafy kô i Gaza sy Ekrona, ho fôgna ny fanantenany! Ho foaty aigny Gaza ny mpanjaka, ary i Askelona de tsy hisy mponina intsony! 6Hagnano ny tragnony akao Asdoda reo vahiny, ary hagnafigna ny fireharehan'reo Filistina Za. 7Fa hagnala ny ran-jareo avy amin'ny vavany Za ary ny faratsan-jareo akeo agnelagnelagn'ny nifiny. Ary de hanjary sisa ho an'ny Andriamanitsika salan'ny fokon'i Joda zareo, ary Ekrona de hanjary ho salan'reo Jebosita.8Hitoby magnodidigna ny taniko Za mba hanotra an'reo maramilan'ny fahavaloko ka tsisy na de raika aza afaka mandroso na miverigna, fa tsisy mpampahory handalo akeo am'zany intsony. Fa am'zao de miambina ny taniko amin'ny masoko Za!9Mihobia amin'ny fifalim-be ry zanaka vavin'i Ziona! Mihobia am-pifalena ry zanaka vavin'i Jerosalema! Indro! Tonga amim-pamarinana aminao ny mpanjaka ary magnavotra an'nao. Magnetry tegna izy ka mitikina akeo amin'ny boriky sy akeo ambonin'ny zana-boriky. 10Ary ho foagnako ny kalesa avy aigny Efraima sy ny soavaly avy aigny Jerosalema, ary ny tsipika de ho foagnana amin'ny ady; fa hilaza fiadanana am'reo firenena izy, ary ny fanapahany de ho avy amin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, ary hatramin'ny Ogny ka hatramin'ny faravazan-tany!11Raha ny aminareo, nohon'ny ran'ny fagnikeko akao aminareo de alako avy akao an-davaka ze tsisy rano reo gadranareo. 12Miviregna aigny amin'ny fiarovana mafy, ry gadran'ny fanantenana! Eny na de gniany aza de milaza Za hanotra avo roa heny aminareo, 13fa efa nagnenjagna an'i joda ho tsipikako Za. Efa namahana ny zanatsipikako tamin'i Efraima Za. Efa nanaitra an'reo zanakareo lahy Za, ry Ziona, hanotra an'reo zanakareo lahy, ry Grisia, ary efa nagnao an'nareo salan'ny sabatry ny mpiady Za, ry Ziona!14Hibôgna amin-jareo i Yaveh, ary hitifitra salan'ny tselatra ny tsipikany! Fa Yaveh Tompoko hitsotra trompetra ary handroso avy amin'ny tafio-drivotra avy aigny Temana. 15Yaveh Tompon'ny maro no hiaro an'azy reo ary handevona an'azy reo sy handresy ny vatona pilotra reo. Ary de hisotro zareo ary hidradradradra salan'ny ôla mamon'ny divay ary ho feno divay salan'reo vile zareo, salan'reo zoron'ny alitara.16Koa am'zany andro zany de hamonjy an'azy reo i Yaveh Andriamaniny; de ho salan'ny ondrin'ny vahôkany zareo, fa zareo no ho firavaky ny satro-boninatra hisandratra akeo amin'ny taniny. 17Fa akôry ny hatsaran-tarehin-jareo! Haniry akeo amin'ny vary ny gaondahy ary ny virijiny akeo amin'ny voaloboka mamy!
Chapter 10

1Mangatà orana amin'i Yaveh amin'ny vanim-potônan'ny oran-dohataona_ Yaveh no magnano kotrokorana_ ary magnome orana mivatravatra ho an'ny ôla daôly sy ny zava-maintso aigny an-tsaha. 2Fa reo sampy akao an-dragno de miteny lainga; ny mpisikidy magnano sary an-tsaigna lainga, miteny nofy fitaka zareo ary magnome fampiononana fôgna ka mirenireny ôtran'ny ondry ary mijaly nohon'ny tsy fisian'ny mpiambina zareo.3Ny hasoseko de miretra am'reo mpiambina ondry; reo osilahy mpitarika no ho faiziko. Yaveh Tompon'ny maro kô de hagnatrika an'reo ondriny, de ny taranak'i Joda, ary hagnano an'azy reo ôtran'ny soavaly fietiny aigny amin'ny ady!4Avy amin-jareo no hiaven'ny vato fehizoro; avy amin-jareo no hiaven'ny fiantognan-day; avy amin'jareo no hiaven'ny tsipika fiadena; avy amin-jareo no hiaven'ny mpitarika daôly hiaraka. (Fagnamarinana: Maro amin'ny dikan-teny am'zao no mametraka ny hevitry ny "hiaraka" akao amin'ny fiantombon'ny andinin-teny magnaraka.) 5Ho ôtran'ny mpiady ze magnitsaka ny fahavalony akeo amin'ny fotaky ny lalana amin'ny ady zareo, hiady zareo satria Yaveh no momba an'azy reo, ary hamegnatra an'reo ze mitikina soavalin'ady zareo.6Hampahery ny taranak'i joda Za ary hamonjy ny taranak'i Josefa; fa hamerigna an'azy reo amin'ny laoniny Za ka hamindra fo amin-jareo. Ho ôtran'ny hoe tsy nolaviko zareo, satria Za no Yaveh Andriamanitr'zareo, ary hamaly an'azy reo Za. 7De ho ôtran'ny mpiady i Efraima, ary hifaly ôtran'ny ozon'ny divay ny fon-jareo; hatazagna an'zany reo zanagny ka hifaly. Hifaly Aminà ny fon-jareo!8Hitôlapitra ho an'azy reo Za ary hagnandroka an'azy reo, satria hamonjy an'azy reo Za, ary hanjary leibe salan'ny talô zareo. 9Namafy an'azy reo taigny am'reo ôla Za, nefa natsaro Ana aigny am'reo firenena alavitra zareo, ka ho velona sy hiverigna zareo sy ny zanagny. 10Fa hampody an'azy reo avy aigny amin'ny tany Egypta Za ary hagnandroka an'azy reo avy aigny Asyria. Hitondra an'azy reo aigny amin'ny tanin'ny Gileada sy Libanona ZA mandrapatsisy efi-tragno an'azy reo tsony.11Hamakivaky ny ranomasim-pahorenan'jareo Za hamely an'reo onjan'zany ranomasina zany Za ary hagnamaigna ny lalign'i Niely daôly. Haetry ny voninatran'i Asyria, ary ny tehinam-panjakan'i Egypta hiala am'reo Egyptiana. 12Hagnamafy orina an'azy amina Za, ary hande amin'ny agnarako zareo_ zany no lazain'i Yaveh.
Chapter 11

1Sokafo ny varavaragna, ry Libanona, mba handevonan'ny afo ny sederanao! 2Misaonà, ry kakazo kypreso, fa efa lavo ny kakazo sedera! Reo ambo de efa nongotana! Misaonà, anareo ry kakazo terebintan'i Basana, fa efa ripaka ny ala mikitroka. 3Midradradradra reo mpiambina ondry, fa efa rava ny voninatra-jareo! Mitrerogna ny feon'ny zanaky ny liona da efa rava ny rearean'ny Ogny Jordana!4Fa zao no lazain'i Yaveh Andriamanitra: "Salan'ny mpambina ondry, miambina ny ondry ze ho vonòna! 5(mamono an'azy reo le mividy an'azy ary tsy voasazy, ary le mivarotra an'azy reo magnano hoe: 'Isaorana an'i Yaveh! Efa nanjary mpanankarena za!' fa reo mpiambina miasa ho an'reo tômpon'ondry de tsy niatra an'azy reo.) 6Fa hiatra ny ôla ambonin'ny tany Za! zany no lazain'i Yaveh. Indro! Ny tegnako mitsy no hamerigna ny ôla daôly akeo an-tagnan'ny namany sy akeo antagnan'ny mpanjakany, ary handrava ny tany zareo ary ts hisy na de raika amin-jareo aza alako akeo an-tagnan'jareo."7Ka de nanjary mpiandry ny ondry voatokana ho vonòna Za, ho an'reo ze nitondra ny ondry. Nandray tehina roy Za; ny tehina raika nantsoviko hoe "Fahasoavana" ary le raika nantsoviko hoe "Fikambanana." Tam'zany fomba zany no niambesako ny ondry. 8Mpiambina ondry telo no novonoko tao agnatin'ny iray volana, satria tsy naharitra tamin-jareo za, ary nankahala ana zareo. 9De ozy za tamin'ny tômpon'ny ondry hoe: "Tsy hiasa hiambina ny ondrinao tsony za. Ny ondry ze maty de alay ho foaty, ny ondry ze ringana de alay ho ringana. Ôka ny ondry ze sisa tavela samy hinana ny nofon'ny namany."10De noraisiko ny tehinako "Fahasoavana" ary naratiko zany mba hagnafoagnako ny fagnikena ze efa nataoko tam'reo foko daôly. 11Tam'zany ando zany de rava le fagnikena, ka reo ze nitondra ny ondry sy nijery Anà de nafantatra fa niteny Yaveh. 12De ozy za tamin-jareo hoe: "Ra ôhatra ka tsara aminareo zany, de aloavo ny karamako. Fa raha tsy izany ôka fogna." Ka de nolanjain-jareo ny karamako, sekely volafotsy telopolo.13Ary ozy Yaveh taminà hoe: "Avilay akao amin'ny fitôran-drakitra ny volafotsy, ny sanda tegna tsara ze nanombagnan-jareo an'nao!" Ka de nalaiko ny dekely volafotsy telopolo ary napetrako tao amin'ny fitôran-drakitra tao an-dragnon'i Yaveh. 14Avy teo de nopoteko ny tehiko faharô, "Fikambanana," mba hamotena ny firalahin'ny Joda sy Israely.15Ozy Yaveh taminà hoe: "Alao ho an'ny tegnanano ndre ny fitaovan'ny mpiambina ondry adala, 16fa indro, hametraka mpiambina ondry aketo amin'ny tany Za. Tsy hiraharaha ny ondry maty izy. Tsy hikaraka ny ondry very izy, na kô hagnasitrana ny mandringa. Tsy hamahana ny ondry salama izy, fa hinana ny nofon'ny ondry matavy ary hamiravira ny kitron'reo.17Loza ho an'ny mpiambina ondry tsy mendrika ze mehafoy ny ondry! Hamely ny aondriny sy ny masony an-kavanana ane ny sabatra! Halazo ane ny sandriny ary ho jamba ny masony ankavanana!"
Chapter 12

1Ty de filazana ny tenin'i Yaveh ho an'i Israely, fagnambaran'i Yaveh, ze manandratra ny habakabaka sy nametraka ny fototry ny tany ary namolavola ny fagnan'ôlombelona akao agnatin'ny ôla hoe: 2"Indro, akeo andalam-panôvana an'i Jerosalema agnaty kapôka Za hatonga an'reo vahôka daôly magnodidigna an'azy hivembena. De ho salan'ny zany kô ny an'i Joda mandritra ny fahirano an'i Jerosalema. 3Am'zany andro zany, hataoko ho vato mavesatra ho an'ny ôla daôly i Jerosalema. Ze magnandrana hibata an'zany vato zany de handratra mafy ny tegnany ka hitambatra hanotra an'zany tanana zany reo firenena daôly.4Am'zany andro zany, ozy Yaveh de hamely ny soavaly tsiraikaraika amin'ny horohoro Za ary ny mpitikina an'azy ho very saigna. Hijery amim-pakasitrana ny taranak'i Joda Za ary hamely ny soavalin'reo tafika amin'ny fahajambana. 5Avy akeo mpitarika an'i Joda hiteny agneritreritra hoe: 'Reo mponin'i Jerosalema no herintsika noho i Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'zareo.'6Am'zany andro zany de hataoko salan'ny fatagna miretra aigny amin'ny kakazo ary salan'ny fanilo aigny amin'ny amboara reo mpitarika ny Joda, fa zareo no handevona an'reo firenena daôly magnodidigna akeo ankavanany sy ankaveny. Hitoetra akeo amin'ny toerany ndre Jerosalema."7Hamonjy an'reo lain'i Joda i Yaveh, mba tsy ho geda noho ny sisa tavela am'joda ny voninatran'ny taranak'i Davida sy ny voninatran'reo ze mipetraka akao Jerosalema. 8Am'zany andro zany de ho mpiaro an'reo mponin'i Jerosalema i Yaveh, ary am'zany andro zany reo ze mila ho kivy amin-jareo de ho salan'i Davida, ary ny taranak'i Davida de salan'Andriamanitra, de salan'ny anjelyn'i Yaveh akeo agnolônan-jareo. 9"Am'zany de hanomboka handringana an'reo firenena daôly ze tonga hanotra an'i Jerosalema Za.10Nefa hagnidigna ny fanahin'ny famindram-po sy fitaraignana amin'ny taranak'i Davida sy reo mponin'i Jerosalema Za, mba hitoden-jareo Aminà ze nolejonin-jareo. Hisaona nohon'ny Aminà salan'ny ôla misaona nohon'ny amin'ny zanagny lahy tokana zareo; hisaona ho an'Azy salan'reo ze misaona nohon'ny fafatesan'ny voalônjanaka zareo. 11Am'zany andro zany ny fisaonana akao jerosalema de ho salan'ny fisaonana tao Hadadrimona akeo amin'ny lemak'i Megido.12Hisaona ny tany, ary ny fianavena isanisany hitokana am'reo fianakavena hafa. Ny fianakaven'ny taranak'i Davida hitokana am'reo leilà. Ny fianakaven'i Natana hitokana ary reo vadin-jareo hitokana am'reo leilà. 13Ny fianakaven'ny taranak'i Levy hitokana ary reo vadin-jareo hitokana am'reo leilà. Ny fianakaven'reo Simeita hitokana ary ny vadin-jareo hitokana am'reo leilà. 14Ny fianakavena tsiraikaraika am'reo fianakavena tafa-janona sy ny fianakavena isanisany de samy hitokatokana ary ny vadin-jareo hitokana am'reo leilà."
Chapter 13

1"Am'zany andro zany de hisy loharano hisokatra ho an'ny taranak'i Davida sy reo mponina akao Jerosalema, nohon'ny fahotanjareo sy ny tsy fahadiovan-jareo. 2Am'zany andro zany, ozy i Yaveh Tompon'ny maro de ho foagnako ny agnaran'reo sampy amin'ny tany mba tsy ho tsarôvana mitsy izy reo. Hagnala an'reo mpaminagny tsy marina sy ny fagnà maloton-jareo amin'ny tany kô Za.3Raha mbôla misy mamignagny de hiteny aminazy ny ray sy reniny ze niteraka an'azy hoe: 'tsy ho velona anao, satria miteny lainga amin'ny agnaran'i Yaveh!' Avy akeo ny ray sy reniny ze niteraka an'azy handefagna an'azy rafa maminagny izy.4Am'zany andro zany ny mpaminagny isanisany de ho megnatra amin'ny fahitany rafa maminagny Izy. Reo mpaminagny reo de tsy hagnano lamba voloina mba hamitana ny ôla intsony. 5Fa ny tsiraikaraika hiteny hoe: 'Tsy mpaminagny za! Leila miasa tany za, satria ny asa tany no natao asako raha mbôla gaondahy za!' 6Fa hisy ôla raika hiteny aminazy hoe: "Ino reo ratra akeo amin'ny sadrinao reo?' Ary hamaly izy hoe: "Naratra niaraka tam'reo ze tao amin'ny tragnon'ny namako za."'7"Ry sabatra! Asandrato amin'ny mpiandry ondriko, le leilà ze mitsangana aketo ankekiko ny tegnanao zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro. Vileso ny mpiambina ondry, de hiparitaka ny ondry! Fa hamerigna ny tagnako hanotra an'reo madinika Za.8Ary magnano ny tany daôly, zany no lazain'i Yaveh, de hisy roa ampatelo ny haringana! Ho leevona reo ôla reo; ary ny ampatelony no avela aigny. 9Ho entina amin'ny afo io ampatelony io ary ho dioviko salan'ny magnadio volafotsy izy reo; ho zahako toetra salan'ny volamena voazaha toetra zareo. Hagnantso ny agnarako izy reo ka hamaly an'azy reo Za ary hanano hoe: 'Ty ny ôloko!' ary hiteny zareo hoe: 'Yaveh no Andriamintra!""
Chapter 14

1Indro! Ho tonga ny andron'i Yaveh rafa hozaraina akeo ampovônareo ny babonareo. 2Fa hangoniko hanotra an'i Jerosalema amin'ny ady ny firenena daôly ka ho voababo ny tanàna. Reo tragno de ho voababo ary ny veivavy ho voaolagna. Ny antsasaky ny tanàna de ho voababo, fa ny sisa tavela am'reo ôla de tsy alana akeo amin'ny tanàna.3Fa Yaveh de hivôka ary hiady am'reo firenena salan'ny fameliny rafa miady amin'ny andron'ny ady. 4Am'zany andro zany ny tongony de hitsangana akeo ambonin'ny Tendrombotr'i Oliva, ze akeo ankekin'i Jerosalema aigny antsinanana. Ny tendrombotra Oliva de hitresaka rôy ary ho sasain'ny lohasaha leibe ary ny antsasaky ny tendrombotra de hiverigna magnolôna ny avaratra ary ny antsasagny magnolôna ny atsimo.5Avy akeo anao hilefa hidigna ny lohasaha akeo agnelagnelagn'reo tendrombotran'i Yaveh, fa ny lohasaha akeo agnelagnelagn'reo tendrombotra de hipaka hatraigny Azela. Hilefa salan'ny nilefasanao tamin'ny horohoron-tany tam'reo andron'ny Ozia, mpanjakan'i Joda anao. De ho tonga i Yaveh Andriamanitrao ary hiaraka Aminazy daôly reo ôlomasina daôly.6Am'zany andro zany de tsy hisy hazavana, fa tsy hisy na hatseka na fanala. 7Am'zany andro zany, andro ze Yaveh rerika fôgna no mafantatra, de tsisy andro na alina fa ny hariva hanjary hisy mazava. 8Am'zany andro zany ny rano velona de hikorigna hivôka an'i Jerosalema. Ny antsasak'reo de hivalagna amin'ny ranomasina antsinanana ary ny antsasagny amin'ny ranomasina andrefana amin'ny fahavaratra sy amin'ny rirignina.9Ho mpanjaka amin'ny tany daôly i Yaveh. Am'zany andro zany de hisy Yaveh, le Andriamanitra tokana ary ny agnarany de tokana fôgna. 10Ny tany daôly de ho salan'i Araba, manomboka akao Geba ka hatraigny Rimona atsinon'i Jerosalema. Ho asondrotra hatraigny i Jerosalema, ary hipetraka amin'ny tôrany manokana, hatraigny amin'ny Vavahadin'ny Benjamina ka hatraigny amin'ny tôrana ze nisy vavahady volôny, hatraigny amin'ny vavahady anjorony, ary hatraigny amin'ny Tilikambon'i Hananela ka hatraigny am'reo famiazam-boaloboky ny mpanjaka. 11Ny vahôka de hipetraka aigny Jerosalema ary tsy hisy faharavana avy amin'Andriamanitra hanotra an'azy reo tsony. Hiaigna milamina i Jerosalema.12Zao no loza ze hamelezan'i Yaveh an'reo vahôka daôly niady hanotra an'i Jerosalema: ny nofon'izy reo de ho lo na de mitsangana amin'ny tongony aza zareo. Ny mason-jareo de ho lo akao amin'ny faladen-jareo ary ny lelan-jareo ho lo akao ambavan-jareo.13 Am'zany andro zany ny tatra leibe avy amin'i Yaveh de ho tonga amin-jareo. Ny tsiraikaraika de hamagna ny tagnan'ny hafa ary ny tagnan'ny hafa hamely ny sasagny.14Joda kô de hiady ay hanotra an'i Jerosalema Hagnandroka ny harenan'reo firenena magnodidigna daôly zareo, de ny volamena sy volafotsy ary ny fitafiana tsara maro be. 15Ny loza kô de ho an'reo ampondra sy reo soavaly, reo rameva sy reo boriky ary reo biby daôly akao am'reo toby reo kô de hijaly am'zany loza zany.16Ary zao no hiseho, ze daôly tavela akao am'reo firenena ze tonga manotra an'i Jerosalema de hiakatra isan-taona mba hidera ny mpanjaka de i Yaveh Tompon'ny maro, ary hitandrina ny Firavoravôn'ny Fialofana. 17Raha tsy mande miakatra ho aigny Jerosalema mba hidera an'le mpanjaka, de i Yaveh Tompon'ny maro, ny ôla avy am'reo firenena daôly ami'ny tany de tsy hitondra orana amin-jareo i Yaveh. 18Raha tsy miakatra ny firenen'i Egypta, de tsy hahazo orana zareo. Hisy areti-mandringana avy amin'i Yaveh ze hamely an'reo firenena ze tsy hiakatra mba hitandrina ny firavoravon'ny Fialofana.19Zany famaizana ho an'i Egypta ary famaizana ho an'ny firenena daôly ze tsy miakatra mba hitandrina ny Firavoravôn'ny Fialofana.20Fa am'zany andro zany zany, ny lakolosin'reo soavaly de hiteny hoe: "Hamasinina ho an'i Yaveh," ary reo koveta akao amin'ny tragnon'i Yaveh de ho salan'ny vile boribory akeo agnatren'ny alitara. 21Fa ny vilagny taniditra daôly akao Jerosalema sy Joda de ho atokana ho an'i Yaveh Tompon'ny maro ary ze mitondra sorogna daôly de hinana am'reo ary hahandro akeo agnatin'reo. Am'zany andro zany reo mpivarotra de tsy ho akao an-dragnon'i Yaveh Tompon'ny maro intsony.

Matthew

Chapter 1

1Ny Bokin'ny razagn'i Jesosy Kristy zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2Abrahama no dadan'i Isaka, ary Isaka no dadan'i Jakoba, ary Jakoba no dadan'i Joda sy reo rahalany. 3Joda no dadan'i Fareza sy Zara avy tamin'i Tamara, Fareza no dadan'i Herzona, ary Herzona no dadan'i Rama.4Rama no dadan'i Aminadaba, ary Aminadaba no dadan'i Nasona, ary Nasona no dadan'i Salmona, ary Salmona no dadan'i Boaza tamin'ny 5Rahaba, Boaza no dadan'i Obeda tamin'ny Rota, Obeda no dadan'i Jese.6 Ary Jese no dadan'i Davida mpanjaka, ary Davida no dadan'i Solomoa tamin'ny alalan'ny vadin'ny Oria.7Solomona no dadan'i Rehoboama, Rahoboama no dadan'i Abia, ary Abia no dadan'i Asa. 8Asa no rain'i Josafata, ary Josafata no dadan'i Jorama ary Jorama no razan'i Ozia.9Ozia no dadan'i Jotama, Jotama no dadan'i Ahaza, Ahaza no dadan'i Hezekia.10 Hezekia no dadan'i Manse, Manase no dadan'i Josia. 11Josia no razan'i Jekonia sy reo rahalany tamin'ny fotôgnan'ny fandroasana ho aigny Babylona.12Tafaran'ny fandroasana ho aigny Babylona, de Jekonia no dadan'i Sealtiela, ary Sealtiela no razan'i Zerobabela. 13Zerobabela no dadan'i Abihoda, Abihoda no dadan'i Azora. 14Azora no dadan'i Zadoka, Zadoka no dadan'i Akima, ary Akima no dadan'i Elihoda.15Elihoda no dadan'i Eliazara, Eliazara no dadan'i Matana, ary Matana no dadan'i Jakoba. 16Jakoba no dadan'i Josefa ze vadin'i Maria, le niteraka an'i Jesosy, ze natsovina hoe Kristy. 17Ny taranaka daôly nanomboka amin'i Davida de taranaka efatra-mbefolo, manomboka amin'i Davida ka hatraigny amin'i fandroasana ho aigny Babylona de taranaka efatra-mbefolo, ary manomboka amin'ny fandroasana ho aigny Babylona ka hatraigny amin'i Kristy de taranaka efatra ambefolo.18Ôtran-zao no nitrangan'ny faterahan'i Jesosy Kristy. Ny mamany, Maria, de efa natokana hanambady an'i Josefa, saingy talôn'ny neran-jareo, de tazagna fa bevoka avy tamin'ny Fagna Masina izy. 19Josefa, vadiny, de leila marina, no sady tsy te hanala baraka an'azy amason'ôla. Ka nanapa-kevitra izy ny hamarana mangingina ny fifanekeny tam'azy.20Ary raha mbola izy nieritreritra mikasika reo ra reo, de nibôgna tam'azy tamin'ny nofy ny anjelin'ny Tompo, magnano hoe: "Josefa, zanaka làn'i Davida, aza matatra ny hanam-bady an'i Maria ho vadinao, satria le raika ze notorotoronina akao agnatiny de ny Fagna Masina no nabevoka an'azy. 21Hiteraka Leila kely izy, ary enao agnatso ny agnarany hoe JESOSY, fa Izy no hamonjy ny ôlony hiala amin'ny fahotan- jareo."22Zany daôly zany de nitranga mba hatateraka ze nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'le mpaminagny, magnano hoe: 23"Indro, ny virijiny ho bevoka ka hiteraka Leila kely, ary zareo hagnatso ny agnarany hoe Imanoela"_ze midika hoe: "Am-tsika Andriamanitra."24Nifô tamin'ny torimasony Josefa ary nagnano arak-ze nandidin'ny anjelin'ny Tompo an'azy ary naka an'azy ho vadiny. 25Saingy tsy niray tam'azy izy mandra-piterany leila kely. Ary nantsoviny hoe JESOSY ny agnarany.
Chapter 2

1Tafaran'ny nahateran'i Jesosy takao Betleheman'i Jodia tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, de tonga takao Jerosalema reo leila magnam-palalana avy aigny atsinana nitare hoe: 2"Aiza Izy ze teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? Naita ny Kintany avy eigny atsinanana zahay ary tonga mba hidera an'azy." 3Rafa nareigny zany i Heroda mpanjaka, de nihorohoro izy, sy i Jerosalema magnontolo niaraka taminy.4Nindesin'i Heroda niaraka ny lohan'ny mpisorogna daôly sy ny mpanora-dalànan'ny ôla, ary nagnotany an'jareo izy hoe: "Aiza no hateran'i Kristy?" 5Nitare taminy zareo hoe: "Akao Betleheman'i Jodia, fa zao no vôsoratry ny mpaminagny hoe: 6Fa enao, Betlehema, aigny amin'ny tanin'ny Joda, de tsy kely indrindra am-reo mpitondran'i Joda, fa avy aminao no hatongavan'ny mpananpaka ze hiandry ny ôloko Israely."7Ary nagnantso mangingina reo leila magnam-palalana i Heroda mba hagnotany an'jareo mazava tsara ny fotôgna nibôgnan'le kintana. 8Nalefany taigny Betlehema izy reo, magnano hoe: "Mandeana ary fotory tsara ny am-le zaza. Rafa hitanareo izy, de taravo za, mba afako mankeigny iany kô ka hidera an'azy."9Tafaran'ny nandreignesan-jareo ny mpanjaka, de nande tamin'ny lalany izy reo, ary ny kintana ze hitan-jareo teigny atsinanana no nialô an'jareo mandra-pijanony takeo ambonin'ny tôrana nisy le zaza. 10Rafa natazagna ny kintana zareo, de tegna faly be.11Niditra takao am-le trano zareo ary natazana ny zaza niaraka tamin'i Maria reniny. Nekoka sy nidera an'azy zareo. Nagnokatra ny fitoeran-kareny zareo ary nanolotra fagnomezana volamena, dintin-kazo magnitra, ary miora ho an'azy. 12Nampitandrina an'jareo tamin'ny nofy Andriamanitra mba tsy hiverigna aigny amin'i Heroda, ka lalana hafa no nandehan-jareo namonjy ny fireneny avy.13Rafa lasa zareo, de nisy anjelin'ny Tompo nibôgna tamin'i Josefa tamin'ny alalan'ny nofy ary nitare hoe: "Mifoaza, ndeso ny zaza sy ny mamany, ary milefasa aigny Egypta. Mipetra aigny mandra-pilazako aminao, fa i Heroda de mitady le zaza mba hamonoana an'azy." 14Ny alin'iny Josefa de nifô ary nitondra ny zaza sy ny mamany ka nankegny Egypta. Nipetra taigny izy mandra-pafatin'i Heroda. 15Zany de nanantateraka ze nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminagny hoe: "Nantsoiko hiala taigny Egypta ny zanako."16Avy akeo Heroda, rafa naita fa vôfitak-reo leila magnam-palalana, de tezitra mafy. Naniraka sy nampamono ny zazalà daôly ro taona no midigna ze takao Betlehema sy takao amin'ny faritra daôly iny izy, araka ny fotôgna ze nofotorany mazava tam-reo leila magnam-palalana.17Avy akeo de tanteraka ny teny ze notenenina tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminagny hoe: 18"Nisy feo reigny takao Rama, fitomagnena sy fisaonam-be, mitomany nony amin'ny zanany i Rahely, ary tsy nagneky ny ho ampanginina izy, satria efa lasana izy reo."19Rafa maty i Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo nibôgna tamin'ny Josefa taigny Egypta tamin'ny nofy ary nitare hoe: 20"Mifoaza ary ndeso ny zaza sy ny mamany ka mandana aigny amin'ny tanin'Israely, fa efa maty reo ze nifofo ny aign'ny zaza." 21Nifô Josefa, ndesiny ny zaza sy ny mamany, ary nande taigny amin'ny tanin'Israely.22Fa rafa reigny fa i Arkelaosy no nanjaka taigny Jodia namdimby an'i Heroda dadany, de natatra ny ho aigny izy. Tafaran'ny nampitandreman'Andriamanitra an'azy tamin'ny nofy, de nifindra nankeigny amin'ny faritr'i Galilia izy 23ka nande ary nipetraka takao amin'ny tanàna antsovina hoe Nazareta. Zany de natanteraka ze vôlaza tamin'ny alalan-reo mpaminagny hoe: "Nazarena no agnantsona an'azy."
Chapter 3

1Tam'zany andro zany de nande nitory taigny agn'efitr'i Jodia Jaona mpagnano Batisa magnano hoe: 2"Mibebaha, f'efa ankeky ny fanjakan'ny lagnitra." 3Fa izy no le nolazain'Isaia mpaminagny, magnano hoe: "Misy feo raika magnantso mafy aigny agn'efitra magnano hoe: "Amboary ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny lalany."4Ary Jaona nitafy volon-drameva sy nagnano fekibo hoditra tamin'ny andilagny. Valala sy tintely remby no nataony fohanina. 5Ary Jerosalema, Jodia manontolo, sy ny faritra daôly magnodidigna ny reniranon'i Jordana de nagnantogna an'azy.6 Nataony batisa taigny amin'ny reniranon'i Jordana zareo, rafa nagneky ny fahotany.7Fa nony natazagna reo Fariseo sy Sadiseo maro ngnantogna an'azy mbô atao batisa izy, de ozy tamin-jareo hoe: "Ry taranaka menaragna feno pozina, iza no nampitandrina an'nareo hilefa ny fahatezerana ho avy? 8Mamoaza voa mendrika ny fibebana. 9Ary aza misaina ny hilaza anakam-po hoe: "Managna an'i Abrahama ho rainay zahay." Fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra de mavita manangana zanaka ho an'i Abrahama na de avy am'reto vato reto aza.10Ary efa napetraka akeo ambody kakazo ny famaky. Ka reo kakazo daôly ze tsy mamoa voa tsara de ho tapàna ary atsipy aigny anaty afo. 11Magnano batisa an'nareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana za. Fa mahery noho za Izy ze tonga avy afarako, ary za de tsy mendrika na de hitondra ny kapany aza. Hagnano Batisa an'nareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Izy. 12Efa aigny an-tagnany ny fikororohany mbô hagnadiovana ny famolôany ary hagnangonana ny variny ho aigny am-bolo-vary. Fa Izy de handoro reo ofoka amin'ny afo ze tsy mety maty."13Avy akeo Jesosy avy taigny Galilia ka tonga takeo amin'ny reniranon'i Jordana mbô hataon'i Jaona batisa.14 Nefa i Jaona de niezaka nanakana an'Azy, magnano hoe: "Za no tokony ataonao batisa, nefa Anao ndre ma no magnantona anà?" 15Jesosy namaly ary nitare tamin'azy hoe: "Ekeo zany am'zao fotôna zao, fa zao no manjary amin-tsika hatanteraka ny fahamarinana daôly." Avy akeo Jaona naneky an'Azy.16Nony vita batisa Izy, de nitsangana avy tao agnaty rano avy hatrainy Jesosy, ary indro, nisokatra tamin'Azy ny lagnitra. Tazany ny Fanahin'Andriamanitra nidigna salan'ny voromelala ary nankeo amboniny. 17Ary indro, nisy feo avy aigny an-dagnitra nagnano hoe: "Ty no Zanako malalako. Ze sitrako ndrindra."
Chapter 4

1Avy akeo Jesosy notaritin'ny Fagnahy ho aigny agn'efitra mbô halain'ny devoly fagnahy. 2Rafa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina izy, de nôna. 3Nagnatona ny mpaka fagnahy ka nitare tamin'Azy hoe: "Raha Zanak'Andriamanitra Anao, de tineno ho tonga mofo reto vato reto." 4Fa Jesosy namaly ka nagnano tamin'azy hoe: "Vôsoratra hoe: 'Tsy ny mofo fôgna ny hiviloman'ny ôla fa ze teny daôly alôky ny vavan'Andriamanitra.'"5Avy akeo ny devoly nitondra an'azy taigny amin'ny tanàna masina ka nametraka an'azy takeo amin'ny faratampon'ny tempoly, 6ary nitare tamin'Azy hoe: "Raha Zanak'Andriamanitra Anao, de milavô aigny ambany aigny, fa vôsoratra hoe: 'Izy handidy reo anjeliny hiahy an'nao' sy 'Hanandratra An'nao akeo amin'ny tagnan-jareo, ka tsy ho tafotôna amin'ny vato ny tongotrao.'"7Jesosy nitare tamin'azy hoe: "De mbôla vôsoratra ndre hoe: 'Tsy tokony hitsapa ny Tompo Andriamanitrao Anao.'" 8Nentin'ny devoly hankaigny amin'ny tôrana avo ndre Izy ary nampibôgna an'Azy ny fanjakana daôly am'zao tontolo zao sy ny hatsaran'reo. 9Ozy tamin'Azy hoe: "Reo daôly reo de ameko An'nao, raha ôtra ka menkôtra aketo agnatrehako sy midera ana anao."10Avy akeo Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Mialà aketo anao, ry Satana! F'efa vôsoratra hoe: 'Anao de hidera ny Tompo Andriamanitrao, ary izy rerika iany no ho tompoinao.'" 11Avy akeo nandao an'Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga nanompo an'Azy.12Ary nony regnin'i Jesosy fa vôsambotra Jaona, de niverina nakaigny Galilia izy. 13Nandao an'i Nazareta Izy ka nande ary nipetraka takao Kapernaomy, ze akeo amoron-dragnomasin'ny Galilia, akao amin'ny zara-tanin'i Zabolona sy Nadtaly.14Zany no nitranga mbô hatanteraka ze nambaran'Isaia mpaminagny hoe: 15"Ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly, mankaigny amin'ny ragnomasina, aigny an-dafin'i Jordana, Galilia an'reo Jentlisa! 16Reo ôla nipetraka tamin'ny maizigna de nahita fazavana lehibe, ary reo ze nipetraka tamin'ny faritra sy ny aloky ny fafatesana, de takeo amin-jareo no niposahan'ny fazavana."17Ary tam'zany fotôna zany Jesosy de nanomboka nitory tey sy nilaza hoe: "Mibebà, f'efa ankeky ny fanjakan'ny lagnitra."18Raha nande taigny amoron-dRagnomasin'i Galilia Izy, de natazagna mpirahalà rôy, Simona ze nantsôvina hoe Petera, ary Andrea ralahiny, nanipy ny haratony taigny amin'ny ragnomasina, fa mpagnarato zareo. 19Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Andao, hagnaraka Anà, fa ataoko mpagnarato ôla anareo." 20Teo no eo iany de nandao an'reo harato zareo ka nagnaraka an'Azy.21Ary raha mbôla nandroso Jesosy de natazagna mpirahalà rôy hafa, Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona ralahiny. Nagnambôtra ny haratony takao an-tsambo zareo niaraka tamin'i Zebedio rain-jareo. Nagnantso an-jareo Izy, 22ka teo no eo iany de nandao ny sambokeliny sy ny rainy zareo ka nagnaraka an'Azy.23Nande eran'i Galilia Jesosy, nampianatra takao amin'ny synagogan-jareo, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana, ary nagnasitrana reo karazan'aretina daôly mbakan'ny rofy daôly takeo amin'ny ôla. 24Niparitaka eran'i Syria ny vaovao makasika an'Azy, ka de nentin'ny ôla takeo amin'Azy reo ze marary daôly, mararin'ny karazan'aretina sy fangirifirina, reo demoniaka, sy ze mararin'ny androbe sy mararin'ny paralysisa. Nositranin'i Jesosy izy regny. 25Vahôka betsaka avy taigny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy aigny an-dafin'i Jordana no nagnarka an'Azy.

Chapter 5

1Rafa natazana reo vahôka Jesosy, de niakatra teo an-tanety. Rafa tafapetraka Izy, de nagnatogna an'Azy reo mpianany. 2Nanoka-bava Izy ary nampianatra an'jareo, magnano hoe: 3"Sambatra ny mahantra am-pagna, fa an'azy reo ny fanjakan'ny lagnitra. 4Sambatra reo misôna, fa hampiononina izy reo.5Sambatra reo malemy fagna, fa izy reo no handova ny tany. 6Sambatra reo ze nôgna sy mangetaheta sy famarinana, fa ho vokisana izy reo. 7Sambatra reo mpamindra fo, fa hahazo famindram-po izy reo. 8Sambatra reo madio am-po, fa hahita an'Andriamanitra izy reo.9Sambatra reo mpampihavana, fa izy reo no antsona hoe zank'Andriamanitra. 10Sambatra reo ze enjena noho ny famarinana, fa an'jareo ny fanjakan'ny lagnitra.11Sambatra anareo raha maniratsira an'nareo sy manenjika an'nareo ny ôla, ary miteny ny karazana lainga ratsy daôly hanoitra an'nareo noho ny aminà. 12Mifalia sy miravoravô, fa gedabe ny valisoanareo akaigny an-dagnitra. Fa ôtran'zany ny fomba nanenjehan'ny ôla reo mpaminagny ze niaigna talônareo.13Nareo no siran'ny tany. Fa raha ny sira no tonga matsatso, amin'ny fomba manakôry no ampasira an'zany ndre? Tsy ho tsara na amin'ino na amin'ino ntsony zany fa harena sy ho hikitsan'ny tongotr'ôla sisa. 14Nareo no fazavan-zao tontonlo zao. Ny tanàna miorina akeo amin'ny havôgna de tsy azo asitrika ntsony.15Tsisy ôla manpiretra jiro ka mametraka an'zany aigny ambany harogna, fa akeo amin'ny fitôran-jiro, ka manazava ny daôly akao an-trano zany. 16Ôka hazava akeo agnoloan'ny ôla ôtran'zany fomba zany ny fazavanareo mba ahitan'izy reo ny asa tsara ataonareo ary ankalazany ny Rainareo ze aigny an-dagnitra.17Aza mieritreritra hoe tonga handrava ny lalàna na reo mpaminagny Zà, Tsy tonga hamotika an'reo za, fa hanatanteraka an'azy reo. 18Fa lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon'ny lagnitra sy ny tany, de tsy ho fôgna amin'ny lalàna na de litera raika sy tendron-tsoratra raika aza, mandra-patateraky ny ra daôly.19No zany na iza na iza mandika na de ny kely ndrindra am'reo didy reo sy mampianatra ny hafa agnao salan-zany de ho antsovina hoe kely ndrindra akao amin'ny fanjakan'ny lagnitra. Fa na iza na iza magneky sy mampianatra reo de antsovina hoe leibe akao amin'ny fanjakan'ny lagnitra. 20Fa lazaiko am-nareo fa raha tsy mihôtra no ny an'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ny famarinanareo, de tsy hiditra akao amin'ny fanjakan'ny lagnitra miitsy anareo.21Efa reignareo fa vôlaza tam-jareo talô hoe: 'Aza mamono ôla,' ary 'Na iza na iza mamono ôla de ho heloina aigny amin'ny fitsarana.' 22Fa lazaiko am-nareo fa ze daôly sosy amin'ny rahalàny de mendrika ny ho heloina aigny amin'ny fitsarana; ary na iza na iza miteny ny rahalàny hoe: 'Enao de olom-pôgna!' de ho heloina aigny amin'ny filan-kevitra; ary na iza na iza milaza hoe: 'Adala enao!' de mendrika ny ho aigny amin'ny fari-miretrafo.23No zany raha manolotra ny fagnatitrao akeo amin'ny alitara enao ka tsaroanao teo fa managna alaelo aminao rahalànao, 24de avelao akeo agnoloan'ny alitara ny fagnatitrao, ka mandeana zory ny lalanao. Mihavàna miitsy aloha amin'ny rahalànao, ary avy akeo miviregna de atolory ny fagnatitrao.25Mihavàna aingana amin'ny mpiampanga an'nao raha mbola miara-dia am'nazy aigny amin'ny fitsarana anao, fandrao ny mpiampanga an'nao hanolotra an'nao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara mety hanolotra an'nao amin'ny manam-boninatra, ka hatao akao an-trano maizana enao. 26Lazaiko marina am'nareo, fa tsy ho afaka mivôka akao miitsy enao mandra-pandoavanao ny vola faran'ny kely ndrindra amin'ny trosanao.27Efa regnareo fa vôlaza hoe: 'Aza mijangajanga.' 28Kanefa lazaiko am'nareo fa ze daôly mijery vevavy ka magniry an'azy de efa nijangajanga takao am-pony sahady.29Raha manafitona an'nao ny masonao ankavanana, de alao zany ary atsipazo lavitra an'nao. Fa tsara kokô ho an'nao raha ny nempany raika amin'ny vatanao no tokony ho simbagna fa tsy ny tegnanao daôly no atsipy aigny amin'ny helo. 30Raha manafitoina an'nao ny tagnano ankavanana, de tapao ary atsipazo lavitra hiala am'nao. Fa tsara kokô ho an'nao raha ny nempany raika amin'ny vatagnao no tokony ho very fa tsy ny tegnanao daôly no atsipy aigny amin'ny helo.31Ary efa vôlaza iany kô hoe: 'Na iza na iza misaraka amin'ny vadiny, de ôka izy hagnome an'azy ny taratasy fisaraham-panabadena.' 32Fa Za kosa milaza am'nareo fa ze daôly misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy no ny fijangajangana, de mampijangajanga an'azy. Na iza na iza manambady an'azy afara'ny fisarany de mijangajanga.33Ary kô, regnareo fa vôlaza tamin'ny ntaolo hoe: 'Aza mianiana fenianana diso, fa ento akeo agnatren'ny Tompo ny feniananao.' 34Fa Za kosa milaza am'nareo, aza mianiana amin'ny ra daôly, na amin'ny lagnitra aza, fa seza fendrianan'Andriamanitra zany; 35na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony zany; na koa amin'ny Jerosalema, fa tanànan'ny mpanjaka leibe zany.36Aza mianiana amin'ny lônao, fa tsy afaka magnafotsy na magnamainty ny singam-bolo raika enao. 37Fa ôka ny teninao ho, 'Eny, eny,' na 'Tsia, tsia.' Ze miôtra an'zany de avy amin'ny le ratsy.38Reignareo fa vôlaza hoe: 'Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify.' 39Fa Za kosa milaza am'nareo hoe, aza manoitra ze ratsy. Fa kosa, na iza na iza mamely ny takolakao ankavanana de atolory azy koa ny ilany.40Ary raha misy ôla magniry ny hiaraka aminao ho aigny amin'ny fitsarana ka manendaka ny akanjonao, de avelao ho an'azy iany kô ny lambanao. 41Na iza na iza manery an'nao ande kilometatra raika, mandeana miaraka aminy amin'ny kilometatra rôy. 42Omeo ze mangataka aminao, ary aza mandà na iza na iza magniry ny hindrana aminao.43Efa reignareo fa vôlaza hoe: 'Tsy maintsy mitia ny mpiara-belona aminao enao ary mankahala ny fahavalonao.' 44Fa lazaiko am'nareo, tiavo ny favalonareo ary mivavaha ho an'ze magnejika an'nareo, (Fanamarihana: Ny dikan-teny talô tsara ndrindra de manala ny hoe: "Misôra reo ze magnozogna an'nareo, magnôva ny tsara am'reo ze mankahala an'nareo." 45mba ho tonga zanaky ny Rainareo ze aigny an-dagnitra anareo. Fa Izy de mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy sy ny tsara, ary mampilatsaka ny orana amin'ny marina sy ny tsy marina.46Fa raha reo ze te an'nareo no tiavinareo, ino no valisô azonareo? Moa na de ny mpamory hetra aza tsy mba magnano ôtran'zany kô? 47Raha ny rahalànareo rery iany no arabainareo, ino no mba ataonareo miôtra ny hafa? Moa na de ny Jentilisa aza tsy mba magnano ôtran-zany kô? 48No zany de tsy maintsy tanteraka anareo, sala ny fahatanteran'ny Rainareo ze aigny an-dagnitra.
Chapter 6

1Mitandrema mba tsy hagnano ny asan'ny famarinanareo akeo agnatrehan'ny ôla nareo mba ho itan-jareo, fa raha tsy zany de tsy hahazo ny valisoa avy amin'ny Rainareo ze akaigny an-dagnitra. 2No zany rafa maneho fiantrana anareo, de aza mitsoka trompetra misarika ny hafa ôtran'ny ataon'ny mpiatsara velatsia aigny amin'ny synagoga sy eigny amin'ny lalana, ka mba mety hahazo ny fideran'ny ôla zareo. Lazaiko marina aminareo, fa izy reo de efa nandray ny valisoany.3Fa rafa maneho fihantrana anareo, aza atao fantatrin'ny tagnanareo an-kavia ze ataon'ny tagnanareo an-kavanana, 4ka mba homena mangingina ny fagnomezanareo. Avy akeo ny Rainareo ze maita amin'ny mangingina no hamaly soa anareo.5Rafa mivavaka nareo, aza magnano ôtran'ny mpetsaravelatsy, fa zareo te mijoro sy mivavaka akeo amin'ny synagoga sy akeo amoron-dalana, ka mba mety ho itan'ny ôla. Lazaiko marina aminareo, fa zareo de efa nandray ny valisoany. 6Fa nareo, rafa mivavaka, midira akao amin'ny efa-tragnonareo. Hidio ny varavaragna, de mivava amin'ny mangingina. Avy akeo ny Rainareo ze maita akao amin'ny mangingina no hamaly soa anareo. 7Rafa mivavaka nareo, aza magnano teny betsaka tsy misy ilàgna azy ôtran'ny ataon'ny Jentilisa, ny amin'ny fiheverany fa ho reigny zareo nony teny betsaka ze ataony.8No zany, aza magnano ôtran'ny zareo, fa ny Rainareo de efa mafantatra reo ra ze ilainareo melôn'ny angatanareo Aminy. 9No zany mivava ôtran'zao hoe: "Raianay ze akaigny an-dagnitra, ho hamasinina ane ny agnaranao. 10Ho tonga ane ny fanjakanao. Hatao ane ny sitraponao ety an-tany ôtran'ny akaigny an-dagnitra.11Omeo anay gniany ny hanina sahaza anay. 12Mamelà ny helokay, ôtrany ny hamelanay ze meloka taminay. 13Ary aza mitondra anay amin'ny fakam-pagna, fa magnafaha anay amin'ny ratsy."14Fa raha mamela ny hadisoan'ny ôla nareo, de hamela anareo iany kô ny Rainareo ze akaigny an-dagnitra. 15Fa raha tsy mamela ny hadisoan'izy reo nareo, de tsy hamela ny hadisoanareo mihitsy ny Rainareo.16Ankôtra zay, rafa mifady hanina nareo, aza manambôgna endrika mampalaelo ôtran'ny ataon'ny mpetsaravelatsy, fa manaratsy tare izy reo ka mba mety ho itan'ny ôla fa tegna mifady hanina. Lazaiko marina aminareo, fa efa nandray ny valisoany izy reo. 17Fa enao, rafa mifady hanina, osory menaka ny lônao ary sasao ny tarenao, 18ka mba tsy ho itan'ny hafa hoe mifady hanina, fa amin'ny Rainao ze akao amin'ny mangingina iany, ary ny Rainao ze maita akao amin'ny mangingina, no hamaly soa anao.19Aza mitahiry ny harenareo ety an-tany, ze simbain'ny kalalao sy harafesina, ary hidiran'reo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. 20Fa kosa, tarizo ny harenareo akaigny an-dagnitra, ze tsy ho simban'ny kalalao sy harafesina, ary tsy hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. 21Fa ze misy ny harenao, no itoeran'ny fonao iany kô.22Ny maso no jiron'ny vatana. No zany, raha tsara ny masonao, de ho feno fazavana ny vatagna daôly. 23Fa raha ratsy ny masonao, de ho feno haizina ny vatagnao daôly. No zany raha maizina ny fazavanan'ze akao agnatiano amin'zao, magnano akôry ny haleben'zany haizigna zany! 24Tsisy afaka hanompo tompo roey, fa hankahala ny raika izy ary hitia ny raika, raha tsy zany hagnolo-tegna ho an'ny raika ka hankahala ny raika hafa. Enao de tsy afaka hanompo an'Andriamanitra sy ny harena.25No zany lazaiko aminareo, aza magnahy momba ny ainareo, ze hohaninareo na ze hosotronareo na momba ny vatagnareo, ze hotafinareo. Fa tsy leibe no ny sakafo ma ny fiaignana ary ny vatagna leibe no ny fitafena? 26Jereo reo vorogna aigny amin'ny habakabaka. Izy regny de tsy mamafy na mandidy na manangona akao an-tsombitra, fa ny Rainareo ze akaigny an-dagnitra no mampihinana azy regny. Tsy sarobidy mamdombolombo mihôtra iregny ma nareo?27Iza aminareo no afaka manampy hakio raika amin'ny andro hiaignany amin'ny fagnahiana? 28Naôgna nareo no magnahy momba ny fitafianareo? Saino ny momban'ny lilia egny amin'ny saha, akôry ny fagnirin'izy regny. Tsy mba miasa izy regny, ary tsy mamoly fitafena. 29Lazaiko aminareo, fa na i Solomona aza amin'ny voninainy daôly de tsy nitafy ôtran'ny raika amin'iregny.30Raha ampitafen'Andriamanitra ôtran-zany ny ahitra aigny an-tsaha, ze misy androany sy rampitso de hatsipy akao am-patagna daôly, salan'ny ahôna no ampitafeny anareo mandombolombo anareo ry kely finona? 31No zany aza magnahy ka milaza hoe: "Ino no hohaninay? na hoe: Ino no hosotroinay na hoe: Ino ny fitafenay ho agnaovanay?"32Fa reo Jentilisa mitsikaraka reo ra reo, ary ny Rainareo ze akaigny an-dagnitra de mafantatra fa mila reo nareo. 33Fa karao alô ny fanjakany sy ny fahamarinany de homena anareo reo ra reo. 34No zany, aza miahiahy ny rampitso, fa ny rampitso hanahy ny an'azy. Ampy ho an'ny andro tsiraikaraika ny ratsy akao aminy.
Chapter 7

1Aza mitsara, de tsy tsaraina anareo.2Fa amin'ny fitsarana nataonareo, no hitsarana anareo, ary amin'ny fandrefesana andrefesanareo, no handrefesana anareo.3Nagnino anao no mijery ny singa-mololo kely ze akao agnatin'ny mason'ny ralànao, nefa tsy tazagnao ny andry akao agnaty masonao? 4Aôna no hitaravanao ny ralànao hoe: 'Avelao za hangala ny singa-mololo ze akao agnaty masonao,' raha mbôla akao agnatin'ny masonao le andry? 5Ry mpehatsaravelatsy! Alao alô ny andry ze akao agnaty masonao, ary avy akeo anao hatazagna tsara rafa mangala ny singa-mololo ze akeo amin'ny mason'ny ralànao.6Aza amena ny alika ze masina, ary aza hatsipy akeo aloan'ny kisô ny vatosoanareo. Raha tsy zany de manjary ho vôkitsagny ny tongon-jareo, ary avy akeo hifotitra sy hamiravira anareo amin'ny fahapotehana.7Mangataha, de amena anareo zany. Mikara,de hahita anareo. Dondogno, fa hisokatra ho anareo zany. 8Fa ze mangataka daôly, de mahazo; reo daôly ze mitady, de mahita; ary ho an'ny ôla mandodogna, de ho voaina. 9Iza aminareo ma, raha angatahan'ny zanagny mofo, no hagnome vato ho an'azy? 10Na kô raha nangatany trondro, ka hagnome bibilava an'azy?11No zany, raha anareo ze ratsy aza mahay magnome reo fagnomezana ze tsara ho an'ny zanakareo, moa tsy ngeda mihôtra lavitra ma ny ra tsara amen'ny Rainareo ze akaigny an-dagnitra ho an'ireo ze mangataka amin'Azy? 12No zany, na ino na ino ra tenareo ho ataon'ny ôla amin'ny tegnanareo, de tokony hagnano salan'zany amin-jareo fôgna kô anareo, fa izany no lalàna sy reo mpaminagny.13Midira amin'ny vavahady maety. Fa geda ny vavahady ary malalaka ny lalana mitondra akaigny amin'ny fahaverezana, ary betsaka reo ôla ze mande amin-zany. 14Fa maety ny vavahady ary sarotra ny làlana ze mitarika mankaigny amin'ny fiaignana, ary vitsy reo ze matazagna an'zany.15Mitandrema amin'ireo mpaminagny santoka, ze magnatogna anareo amin'ny fitafian'ondry nefa amboadia tegna mpiaza 16Amin'ny alalan'ny vôny no hahafantaranareo an'jareo. Mitango vôloboka aigny amin'ny tsilo ma ny ôla, na kô aviavy akaigny amin'ny songosongo? 17Ôtran'zany , ny kakazo daôly de mamokatra vô tsara, fa ny kakazo ratsy de mamô vô ratsy.18Ny kakazo tsara de tsy afaka hamô vô rasty, na kô ny kakazo ratsy de tsy afaka mamô vô tsara 19Ny kakazo daôly ze tsy mamô vô tsara de tevezina ary hatsipy akaigny agnaty afo 20Ka no zany, ho fantatrareo zareo amin'ny alalan'ny vôny.21Tsy reo daôly ze mitare Aminà hoe: Tompo, Tompo, de hiditra ny fanjakan'ny lagnitra, fa reo ze magnano ny sitrapon'ny Raiko ze aigny an-dagnitra fôgna. 22Betsaka reo ôla hitare Aminà amin'zany andro zany hoe: 'Tompo, Tompo,tsy efa naminagny tamin'ny agnaranao ma zahay, tsy efa namôka reo demonia tamin'ny Agnaranao, ary nagnano reo asa geda be tamin'ny Agnaranao', ary nagnao reo asa geda tamin'ny Agnaranao. 23Avy akeo Za hagnambara amin-jareo am-pabemaso hoe: 'Tsy nahafantatra anareo mitsy Za! Mialà lavitra Anà, ry mpagnano ratsy!'24No zany, reo daôly ze mareigny ny teniko ary magneiky zany de ôtran'ny ôla hendry ze nagnorina ny tragnony aigny ambony vatolampy. 25Nirotsaka ny orana, tonga ny tondran-drano, ary nifofofofo sy namely le tragno ny rivotra, fa tsy nirodana zany, satria natsangana teo ambony vatolampy.26Fa ny daôly ze nareigny reo teniko ka tsy magneiky an'azy regny de ôtran'nyôlo adala ze magnorina ny tragnony aigny ambony fasika. 27Nirotsaka ny orana, tonga ny tondra-drano, ary nifofofofo sy namely le tragno ny rivotra, ka de nirodagna zany, ary rava tanteraka izy."28Ary rafa avy nagnambara reo teny reo Jesosy, gaga tamin'ny fampianarany reo vahôka, 29satria nampianatra an'azy reo ôtran'ôla ze managna fahefana Izy, fa tsy ôtran'ireo mpanora-dalànan-jareo.
Chapter 8

1Rafa nidina avy takaigny an-tanety Jesosy, de vahôka betsaka no nagnaraka An'azy. 2Io, nisy boka raika nagnatogna An'azy ary niangavy teo anolôny, nagnano hoe: "Tompo, raha azonao atao, de afaka magnadio anà Anao". 3Nagnatsotra ny tagnany Jesosy ary nikasika an'azy, nagnano hoe: "Sitrako. Mahadiova." Teo no teo de nadio tamin'ny fahabokany izy.4Ozy Jesosy tamin'azy hoe: "Ôka mba tsy hilaza na ino na ino na amin'iza na amin'iza anao. Mandeana amin'ny lalanao, ka ampiseovo amin'ny mpisorogna ny tegnanao ary atolory le fanatitra ze nodidin'i Mosesy, mba ho fijorona vavolombelona amin-jareo.5Rafa niditra takao Kapernaomy Jesosy, de nagnatogna an'Azy ny kapiteny raika ary nagnontany an'Azy, 6 nagnano hoe: "Tompo, mandry akao an-dragnoko ny mpanompoko fa malemy ary akao agnatin'ny fanainataignana mafy." 7Ozy Jesosy tamin'azy hoe: "Ho avy Zà ary hagnasitrana an'azy.'8Namaly le kapiteny ary nagnano hoe: "Tompo,tsy mendrika anà ny tokony hidiranao akao ambany tafon-tragnoko,taravo fôgna ny teny de ho sitragna ny mpanompoko. 9Fa zà iany kô de leilà ze napetraka akao ambany fahefana,ary managna miaramila ze feheziko za. Mitare amin'ny raika za hoe: 'Mandeana', de mande izy, ary amin'ny hafa raika hoe: 'Ave', de magnatogna izy,ary amin'ny mpanompoko hoe: "Atôvo zao, de ataony zany ." 10Rafa reignin'i Jesosy zany, de gaga Izy ary nitare tamin-jareo ze nagnaraka an'Azy hoe: "Taravoko marina aminareo,fa tsy mbôla natazagna ôla nanampinona salan'zany Zà taketo Israely.11Lazaiko aminareo, fa maro ny avy aigny antsinana sy ny avy aigny andrefana no ho avy,ary zareo de hipetraka akeo an-databatra miaraka amin'i Abrahama,Isaka ary Jakoba, aigny amin'ny fanjakan'ny lagnitra. 12Fa reo zanaky ny fanjakana de hatsipy akaigny avelan'ny aizigna lavitra aigny, ze hisy fitômagnena sy fikitroha-nisy." 13Ozy Jesôsy tam'le kapiteny hoe: "Mandeana! Araka ny ninoanao, de ôka zany ho atao ho an'nao." Ary de sitragna tam'zany lera zany mihitsy le mpanompo.14Rafa niditra tao an-dragnon'i Petera Jesosy, de natazagna ny rafozam-bavin'i Petera nandry nararin'ny tazo Izy. 15Nokasin'i Jesosy ny tagnany, ary niala tamin'azy ny tazo. De nitsangana izy ary nanomboka nandroso ahanina an'Azy.16Rafa tonga ny hariva,de betsaka reo nafatorty ny devoly nindesin'ny ôla teo amin'i Jesosy. Nandrôka reo fagna tamin'ny tare Izy ary nagnasitragna reo daôly ze narary. 17salan'zany no nahatanteraka ze nambara tamin'i Isaia mpaminagny,nagnano hoe: "Izy tegnany naka ny fahararentsika sy nitondra ireo aretintsika."18Ary rafa tazagn'i Jesôsy ireo vahôka nagnodidigna an'Azy, de nagnome toromarika mba hialana ho aigny ampitan'ny ranomasina Galilia Izy. 19Avy akeo ny mpanora-dalàgna raika nagnatogna an'Azy ary nitare hoe: "Ry mpampianatra, hagnaraka Anao zà na aiza na aiza andananao." 20Ozy Jesôsy tam'azy hoe: "Ny amboahaolo manan-davaka,ary reo voron'ny lagnitra managna akanany,fa ny Zanak'Ôla tsy managna na aiza na aiza ampadreny ny lôny."21Raika hafa tam-reo mpianatra nitare tam'Azy hoe: "Tompo, avilao za alô hande ary andevigna ny dadako." 22Fa ozy Jesosy tam'Azy hoe: "Magnarà Anà, ary avilao ny maty andevigna ny maty akao am'azy manokana."23Rafa niditra takao amin'ny sambokely raika Jesosy, de nagnaraka an'Azy tao agnatin'io ireo mpianany. 24Indro,nisy tafio-drivotra gedabe nitranga teo amin'ny ranomasina, ka de rakotry ny onja ny sambo. Fa tafandry Jesosy. 25Nankeo amin'Azy reo mpianatra ary namô an'Azy, nagnano hoe: "Vonjeo tsika, Tompo; ho foaty tsika!"26Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Nagnino anareo no matatra,ry kely finona?" De nitsangana Izy avy teo ary nitare mafy ny rivotra sy ny ranomasina. De nisy fitoniana be avy takeo. 27Gaga reo leilà ary nitare hoe: "Fa karazana leilà ino ty, fa na de ny rivotra sy ranomasina aza magneiky an'Azy?"28Rafa tonga taigny ampita sy takeo amin'ny tanànan'ny Gadarena Jesosy,de nisy leilà rôy ze nofatoran'ny demonia nifanena tamin'Azy. Zareo reo de nivôka avy aigny ami'reo fasagna ary tegna nahery setra, noho zany de tsisy mpandeha afaka nandalo zany làlana zany. 29Indro,nihaika mafy zareo ary nagnano hoe: "Moa mpifagnino avy zahay sy Anao, ry Zanak'Andrimanitra? Tonga aketo ma Anao hampatatra an'nay mialôn'ny fotôna vôtondro?"30Ary nisy andian-kisô maro niraotra teo, tsy de lavitra an'azy reo. 31Mbôla nengavy an'i Jesosy fôgna reo demonia ary nagnano hoe: "Ra mandrôka an'nay Anao, de alefao akao agnatin'reo andian-kisô reo zahay." 32Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Mandeana!" De nivôka reo demonia ka nankao am'reo kisô, ary indro, reo andiany daôly nirifatra nidigna ny tanety mideza nankaigny an-dranomasina ary maty takao agnaty rano zareo.33Reo ze niambina an'le kisô de nihazakazaka ary nankaigny an-tanàna zareo ary nitati-bolana ny ra daôly,ary ndrindra ze nitranga tam'reo leilà ze nafatotry ny demonia. 34Indro, nivôka reo tao an-tanàna daôly mbô hihaogna amin'i Jesosy. Rafa tazan-jareo Izy, de nangataka an'Azy mba handao ny faritanin-jareo reo.
Chapter 9

1Niditra tao an-tsambokely Jesosy, nitsaka, ary tonga tao amin'ny tanànany. 2Indro, nisy leilà mararin' ny paralisisa nandry teo am-pandrena nindesin-jareo teo amin'Azy. Rafa natazagna ny finon-jareo, de ozy Jesosy tamin'le leilà mararin'ny paralisisa hoe: "Anaka, ôka anao hifaly. Efa vôvela ny helokao."3Indro, ny sasagny tam'reo mpanora-dalàna nagnano anakampo hoe: "Miteny ratsy io leila io." 4Fantatr'i Jesosy ny eritrerin-jareo ary nitare hoe: "Nagnino anareo no mieritreri-dratsy akao am-pognareo? 5Fa iza no moramora koko ny mitare amin'azy hoe: 'Vôvela ny helokao,' sa ny mitare hoe: "mitsangàna ka mandeana?' 6Fa mba ho fatatrareo fa ny zanak'ôla de managna faefana hamela heloka aketo ambonin'ny tany,...."ozy Izy tamin'le mararin'ny paralisisa hoe: "Mitsangàna, batao ny fandrenanao, ary mandeana aigny an-dragnonao."7Avy teo nitsangana le leilà ary nankaigny an-dragnony. 8Rafa natazagna an'izany ny vahôka, de gaga zareo ary nidera an'Andriamanitra, ze nagnome fahefana ôtran'zany ho an'ny ôla. 9Ary raha niala avy takeo jesosy, de natazagna leila nantsovina hoe Matio Izy, ze nipetraka teo amin'ny tragno fagnangonan-ketra. Ozy Izy taminazy hoe: "Magnara an'Anà." Nitsangana izy ary nagnaraka an'Azy.10Ary raha nipetraka hihinana takao an-drano Jesosy, ndreo, mpamory hetra sy ôla mpanota betsaka tonga ary niara-nihinana tamin'i Jesosy sy reo mpianany. 11Rafa natazagna an'zany reo fariseo, de nitare tami'reo mpianany zareo hoe: "Nagnino ny mpampianatrareo no miaraka mihinana amin'ny mpamory hetra sy ny ôla mpanota?"12Rafa nareigny an' izany Jesosy, de Ozy Izy hoe: "Ny ôla matanjaka ara-batagna de tsy mila dokotera, fa reo ze marary fôgna. 13Tokony mande mianatra ny dikan'ny hoe: "Famindram-po no iriko fa tsy sorogna." Fa tonga Za, tsy hagnantso reo marina hibebaka, fa ireo mpanota."14Avy akeo nagnatogna an'azy ireo mpianatr'i Jaona ka nitare hoe: "Nagnino zahay sy reo fariseo no mifady hanina matetika, fa ireo mpianatrao kosa tsy mba mifady?" 15Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Mety alaelo ma reo havan'ny mpampakatra, raha mbôla miaraka akeo amin-jareo ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro hangalagna ny mpampakatra akeo amin-jareo, de ami'zay zareo vao hifady hanina.16Tsisy ôla manampina akanjo kôro amin'ny tapa-damba vaovao, fa ny tampina handrovitra ny lamba, ary hisy rovitra ratsy lavitra.17Tsisy ôla manisy divay vaovao akao agnaty siny hoditra kôro. Raha magnano izany zareo, de ho rovitra ny siny hoditra, ho raraka ny divay ary ho potika ny siny hoditra. Fa kosa, manisy divay vaovao akao agnaty siny hoditra vaovao zareo, ary ho vôtahiry izy rôy."18Raha mbôla nitare ireo ra ireo tamin-jareo Jesosy, de indro nisy manampaefana tokana tonga ka nenkoka tamin'Azy. Nitare izy hoe: "Maty am'izao fotôna zao ny zanako vavy, fa tongava ary apetrao akeo amin'azy ny tagnanao, de ho velona izy." 19Avy akeo nitsangana Jesosy ary nagnaraka an'azy, de nagnano salan'zany kô ireo mpianany.20Indro, nisy vevavy ze efa nande rà nandritra ny rombefolo taona, nakao afaran'i Jesosy ary nikasika ny sisin'akanjony. 21Fa ozy izy tamin'ny tegnany hoe: "Raha mavôkasika ny lambany akeo za, de ho sitragna." 22Fa nierika Jesosy ka natazagna an'azy, de nitare hoe: "Ry zanako vavy, mahereza; ny finonao no nasitragna an'nao." Ary sitragna le vevavy nanomboka tamin'io ora io.23Rafa tonga taigny an-dragnon'le manam-pahefana Jesosy, de natazagna ireo mpitsoka sodigna sy ireo vahôka nitabataba be Izy. 24De ozy Izy hoe: "Mandeana, fa tsy maty le zazavavy, fa matory izy." Fa niomehy an'Azy tamin'ny fagnesona zareo.25Rafa navôka taigny ambelagny ny vahôka, de niditra tao agn'efitra Izy ary nandray an'azy tamin'ny tagnana, ary nitsangana le zazavavy. 26Niparitaka nagnerana ny faritra daôly ny laza momba an'zany.27Ary raha niala takeo Jesosy, de nisy jamba rôlà nagnaraka an'Azy. Tsy nijanona nagnantso zareo sady nitare hoe: "Mamindrà fo aminay, ry zanak'i Davida!" 28Rafa tonga takao an-dragno Jesosy, de nagnatogna an'Azy reo leila jamba. Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Mino ma nareo fa mahay magnano an'zany Za?" De ozy zareo taminy hoe: "Iôny, Tompo."29Avy akeo nikasin'Jesosy ny mason-jareo ary nitare hoe: "Ho tanteraka aminareo araka ny finonareo ane zany," 30ary natazagna ny mason-jareo. Avy akeo Jesosy nandidy mafy an'azy reo ary nitare hoe: "Ôka mba tsisy ôla afantatra mômba an'zao." 31Fa nande reo rôlà ka nampiely ny laza momba an'zany nagnerana izany faritra izany.32Ary raha nande reo rôlà, de indro nisy leila môgna nipetran'ny demonia nindesina takeo amin'i Jesosy. 33Ary rafa navôka le demonia, de nitare le leila môgna. Gaga ny vahôka ka nitare hoe: "Tsy mbôla fahita talô tamin'Isarely zao!" 34Fa ozy reo fariseo hoe: "Tamin'ny fanapan'ireo demonia, no namoahany ireo demonia."35Nande nitety reo tanan-deibe sy reo ta nàna daôly Jesosy. Nanohy nampianatra taigny amin'reo synagogan-jareo Izy, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana, ary nagnasitragna reo karazan'aretina daôly sy reo karazagna fararena daôly. 36Rafa natazagna reo vahôka Izy, de nanagna fangoram-po tamin-jareo, satria nisalasala sy kivy zareo. Ôtran'ny ondry tsy misy mpiambina zareo.37De ozy izy tamin'reo mpianany hoe: "Betsaka ny vokatra, fa reo mpiasa no vitsy. 38Noho zany mivavà malaky amin'ny Tompon'ny vokatra, mba andefasany mpiasa akaigny amin'ny vokatrany."
Chapter 10

1Nantsovin'i Jesosy niaraka reo mpianany roambefolo ary nagnome an'azy reo fahefana am'reo fagnahy maloto, mba handroasana anjareo, sy hagnasitrana reo karazagn'aretina sy karazagna fararena maro.2Ary reto avy ny agnaran'reo Apôstôly roambefolo. Ny voalôny, Simona (ze antsovina iany kô hoe : Petera ) ary Andrea rahalany; Jakoba zanaka lahin'i Zebede, sy Jaona rahalany. 3Filipo sy Barteleomy; Tomasy, sy Matio le mpagnangona hetra; Jakoba zanaka lahin'i Alfeosy, ary Tadeosy;4 Simona le Zelota, ary Jodasy Iskariota, le hamadika an'Azy.5Nasain'i Jesosy izy roambefolo. Nanoro an'jareo Izy ary niteny hoe: "Aza mande aigny amin'ny toerana ze hitoeran'ny Jentilisa anareo, ary aza miditra amin'ny renivotran'ny Samaritana. 6Fa mandiana aigny am'reo ondry very amin'ny taranak'Israely; 7ka rafa mande anareo, de mitoria ary lazao hoe: "Efa ankeky ny fitongavan'ny Fanjakan'ny lagnitra."8Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovo reo boka, ary roaso reo demonia. Araka ny nazahônareo maimaimpôgna, de magnomeza fôgna kô maimaimpôgna.9 Aza mitondra volamena, volafotsy, na varagna akao amin'ny kitapom-bolanareo. 10Aza mitondra kitapom-batsy am'ze ombanareo, na fitafy hafa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa de mendrika ahazo ny ahaniny.11Na ino na ino tanàna geda na tanàna kely hidiranareo, karao ze mendrika akao, ary mipetra akao mandra-pialanareo. 12Raha vô miditra akao am'le tragno anareo de arahabao ny akao. Raha mendrika le tragno de ôka ny fiadananareo ho tonga akao.13 Fa raha tsy mendrika kosa zany, de ôka ny fiadananareo hiverigne aminareo.14Ho an'reo ze tsy mandray an'nareo na tsy mihaino ny teninareo, de ahintsagno ny jofo alin'ny tongotrareo, rafa miala am'zany tragno na tanana zany anareo. 15Lazaiko marina aminareo, fa ho moramora kokoa ny an'ny Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho zany tanana geda be zany.16Indro, handefa an'nareo salan'ny ondry akeo ampovôn'ny ambôdia Za, ka hendre ôtran'ny menaragna ary tsy manan-tsigny ôtran'ny voromelala. 17Mitandrema ny amin'ny ôla! Hanolotra an'nareo akeo amin'ny filan-kevitra zareo, ary hitaroka an'nareo akao amin'ny synagogan-jareo.18 Avy akeo de ho entina magnoloana ny governora sy ny mpanjaka anareo nohon'ny Amina, mba ho vavolombelona ho an'jareo sy ho an'reo Jentilisa.19Rafa manolotra an'nareo zareo, de aza magnana ahiahy ny amin'ny hoe manakôry na ino no ho lazainareo, fa amena an'nareo amin'io ora io ze tokony ho lazaina. 20Fa tsy anareo no hiteny, fa ny Fanahin'le Rainareo no hiteny akao aminareo.21Ny rahala de hanolotra ny rahala amin'ny fahafatesana, ary ny ray de ny zanagny. Ny zanaka de hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahatonga ny fahafatesan-jareo.22 Ho halan'ny ôla daôly anareo nohon'ny amin'y agnarako. Fa na iza na iza miharitra hatramin'ny farany, de ho voavonjy zany ôla zany. 23Rafa magnenjika an'nareo akao amin'io tanana gedabe io zareo, de milefasa aigny amin'ny hafa, fa lazaiko marina aminareo, fa tsy hahatapitra reo tananan'Israely mialôhan'ny hatongavan'ny Zanak'Ôla anareo.24Ny mpianatra de tsy geda nohon'ny mpampianatra, na ny mpanompo ho ambony nohon'ny tompony. 25Ampy ho an'ny mpianatra raha tonga ho ôtran'ny mpampiany izy, ary ny mpanompo ôtran'ny tompony. Raha nantsovin'jareo hoe Belzeboka ny tompon'ny tragno, dia ho ratsy lavitra salan'ny magnakôry reo agnarana hiantsovan'jareo ny isam-iankohinana!26Noho zany aza matatra an'jareo, fa tsy hisy takona ze tsy hibôna, ary zava-miafina ze tsy ho fantatra. 27Ze lazaiko an'nareo akao amin'ny maizina, de tineno amin'ny andro mazava, ary ze bitsibitsika regninareo amin'ny sofinareo, de torio aigny ambony tafon-tragno.28Aza matatra an'reo ze mamony ny vatana kanefa tsy afaka mamono ny fagnahy. Fa kosa, matahôra an'ze afaka mamôtika ny fagnahy sy ny vatana aigny amin'ny helo.29 Tsy vola madinika kely ma no hamarotana fody roa? Fa tsy mbôla misy na raika amin'jareo aza potraka amin'ny tany rafa tsisy ny fahalalan'ny Rainareo.30 Fa na ny vôlon-dônareo aza voaisa daôly. 31Aza matatra. Manan-danja bebe kokoa noho ny fody maro anareo.32Noho zany ze daôly manaiky Anà akeo agnatrehan'ny ôla, de ho ekeko iany kô akeo agnatrehan'ny Raiko ze aignyan-dagnitra. 33Fa ze mandà Anà akeo agnatrehan'ny ôla kosa, de ho laviko iany kô akeo agnatrehan'ny Raiko ze aigny an-dagnitra.34Aza mieritreritra fa Za de tonga hitondra fiadanana aketo an-tagny. Tsy tonga mba hitondra fiadanana Za, fa sabatra.35 Fa tonga Za hanasaraka ny zanaka la amin'ny rainy, sy ny zanaka vavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozam-baviny.36 Ireo ze akao an-tokantragnony fôna no ho lasana favalon'ny ôla.37Ze te kokoa ny ray na ny reny mihôtra Anà de tsy mendrika Anà; ary ze te kokoa ny zanaka là na zanaka vavy mihôtra Anà de tsy mendrika Anà. 38Ze tsy mandray ny hazofijaliany ka magnaraka Anà de tsy mendrika Anà. 39Ze mamonjy ny aignany de havery zany. Fa ze mahavery ny aignany noho ny amina de hahita zany.40Ze mandray an'nareo de mandray Anà, ary ze mandray Anà de mandray le naniraka Anà fôna kô. 41Ze mandray ny mpamignany satria mpaminagny izy de hahazo ny valisôn'ny mpaminagny, ary ze mandray ny ôlo-marina satria ôlo-marina izy de hahazo ny valisôn'ny ôlo-marina.42N'iza n'iza magnome ny raika am'reny madinika ndrindra regny, na de rano mangatseka raiky tasy ho sotroina aza, satria izy mpianatra, de lazaiko marina aminareo fa, tsy ho very ny valisôny. "
Chapter 11

1Ary rafa avy nampianatra ireo mpianany rombefolo Jesosy, de niainga avy takeo Izy hampianatra sy hitory aigny amin'ny tanànan-jareo. 2Ary rafa reignin'i Jaona tao am-ponja ny momba reo asan'i Kristy, de nandefa hafatra tamin'ny alalan'reo mpianany izy 3ka nitare an'Azy hoe: "Anao ma le raika ze ho avy, sa tokony hikaraka hafa zahay?"4Jesosy namaly ary nitare an'azy reo hoe: "Mandeana ary taravo amin'i Jaona ze tazagnareo sy reigninareo." 5Mahiratra reo jamba, mande reo ôla malemy, madio reo boka, mareigny ndre reo ôla maregnina, atsanga-ko velona reo ôla maty, ary agnambarao reo vaovao mafaly ny mahantra.6Sambatra ze tsy tafintohina noho ny Amina."7Ra nande taigny amin'ny lalana reo leilà reo, de nanomboka nilaza ny momba an'i Jaona tam'reo vahôka Jesosy hoe: "Hizaha ino no nivoahanareo taigny agn'efitra - volotara tsofin'ny rivotra? 8Nefa hizaha ino no nivoanareo - leilà magnano fitafina lafo vidy? Indro, reo ze magnano fitafy lafo vidy de mipetraka akao an-dragnon'reo mpanjaka.9Nefa hizaha ino no nivoanareo - mpaminagny? Iôny, mitare aminareo Za, ary mihôtra lavitra noho ny mpaminagny. 10Izy le ze vôsotra hoe: 'Tazagno, magniraka ny irako hialô ny tavanareo Za, ze hagnomagna ny làlanareo mialô an'nareo.'11Lazaiko marina aminareo, fa am'reo ze natera-beivavy de tsisy mihôtra noho i Jaona mpagnano Batisa. Nefa ny ôla tsy magnan-danja lôtra akeo amin'ny fanjakan'ny lagnitra de gedabe noho izy. 12Nanomboka tamin'ny andron'i Jaona mpagnano Batisa ka hatrami'zao, de miaritra amin'ny herisetra ny fanjakan'ny lagnitra, ary reo ôla mahery setra de mialaka an'azy an-keriny.13Fa reo mpaminagny daôly sy ny lalàna de efa naminagny hatramin'i Jaona; 14ary raha sitrakareo ny hagneiky zany, de Izy no Elia le ho avy. 15Ze manan-tsofigna ho enti-mitandregny, ôka izy hitandregny.16Amin'ino no tokony hampitahako an'ity taranaka ty? Zany de salan'ny zaza milalao aigny an-tsena, ze mipetraka sy mifagnantsognantso 17ka mitare hoe: 'Nitsoka sodigna ho an'nareo zahay , fa tsy nandihy anareo. Nagnano hira fisaonana zahay, fa tsy nitomagny anareo.'18Fa Jaona de tsy tonga hinana mofo na hisotro divay, ka ozy zareo hoe: 'Managna demonia izy.' 19Ny zanak'Ôla de tonga hinana sy hisotro ka ozy zareo hoe: 'Tazagno fa, leila tendan-kanina sy mpimamo Izy, naman'reo mpamory hetra sy reo mpanota!' Fa ny fahendrena de vômarina tam'reo asany."20Avy akeo Jesosy de nanomboka nitare mafy reo tanàna ze nanaovany ny ankamarôn'ny asany mahagaga, satria tsy nibebaka zareo. 21"Loza ho anareo, ry Korazina! Loza ho anareo ry Betsaida! Raha natao taigny Tyra sy Sidona reo asa mahagaga ze natao taketo aminareo, de efa ela no nibebaka tamin'ny lamba fisaonana sy lavenona zareo. 22Nefa ho moramora koko ny an'ny Tyra sy Sidona amin'ny andron'ny fitsarana mihôtra noho ny an'nareo.23Anareo, ry Kapernaomy, mievitra ma nareo fa hasandratra aigny an-dagnitra? Sagnatre, ho ndesina hidigna aigny amin'ny helo anareo. Satria raha taigny Sodoma no natao ireo asa magaga ze natao teto aminareo, de mbola tavela zany mandraky ty gniany. 24Nefa milaza aminareo Za fa ho mora koko ho an'ny tanin'ny Sodoma ny andron'ny fitsarana noho ny aminareo."25Tam'zany fotôna zany Jesosy nitare hoe: "Midera Anao Za, ry Ray, Tompon'ny lagnitra sy ny tany, satria Anao no nagnafina reo ra reo tamin'ny hendry sy ny manan-tsaigna, ary nanambara reo tam'reo zay tsy mahay, sala reo zaza kely. 26Iôny, ry Ray, satria zany de nafinaritra takeo amasonao. 27Ny ra daôly nankignina taminà de avy tamin'ny Raiko; ary tsy misy mahay ny Zanaka afa-tsy ny Ray ary tsy misy mahay ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy ze nofidin'ny Zanaka hagnambarana an'azy.28Mankanesa aty Amina; anareo daôly ze miasa sy mitondra mavesatra, de ameko fitsaharana anareo. 29Ento ny zogako ary mianara Amina; fa malemy fagna sy magnetry tegna am-po Za, de haita fitsaharana ho an'reo fagnahinareo anareo. 30Fa mora ny zogako ary maivana ny entako.
Chapter 12

1Tamin-zany fotôna zany Jesosy nande namakivaky ny tanimbary tamin'ny andro Sabata. Refogna reo mpianany ka nanomboka nisagotra salohim-bary de nignana zareo. 2Nefa nony tazagn'reo Fariseo zany, de ozy izy reo tamin'i Jesosy hoe: "Jereo, reo mpianatra ze tsy mara-dalàna ny magnano asa amin'ny andro Sabata."3Fa Jesosy nitare an'azy reo hoe: "Mbola tsy novakinareo mihitsy ma ny ra nataon'i Davida, rafa refogna izy, sy reo leila daôly niaraka taminy? 4Niditra takao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ary ninana ny mofon'ny fanatrena, ze tsy ara-dalàna ho an'azy raha hanina ary tsy ara-dalàna ho an'reo ze niaraka taminy, nefa ara-dalàna ho an'ny lôn'ny mpisorona rerika fôgna.5Tsy mbola novakinareo ma ny akao amin'ny lalàna, fa amin'ny Sabata reo mpisorona akao an-tempoly de manota ny Sabata nefa tsy magnan-tsiny? 6Kanefa lazaiko aminareo fa aketo ny raika geda nony tempoly.7Raha fantatrareo ny hevitry ny hoe: "Famindram-po no iriko fa tsy sorogna, de tsy nagnameloka ny tsy magnan-tsiny anareo. 8Fa ny Zanak'Ôla no Tompon'ny Sabata."9Avy akeo Jesosy niala niditra takao amin'ny synagogan-jareo. 10Indro, nisy leila ze malemy tagnana takeo. Nagnontany an'i Jesosy reo Fariseo, nagnao hoe: "Ara-dalàna ma ny magnasitrana amin'ny Sabata?" mba hiampangan-jareo an'Azy amin'ny fahotana.11Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Ôla iza akeo aminareo, iza, raha ôndry raika fôgna no anagnany, ka raha latsaka agnaty lavaka laligna le ôndry amin'Sabata, no tsy hisambotra an'azy ary tsy hampakatra an'azy?12Tsy magnan-danja miôtra lavitra ma ny ôla nony ôndry! ka noho zany de ara-dalàna ny magnano soa amin'ny andro Sabata."13Avy akeo ozy Jesosy tamin-daleila hoe: "Ahinjiro ny tagnanao." De nahinjiny zany, ka niverigna ny fasalamany, ôtran'ny tagnany ilany. 14Fa nivôka reo Fariseo ka nitetika ny hamono an'Azy. Nitady hevitra ny amin'ny fomba mety hamonona an'Azy zareo.15Rafa nalalan-zany Jesosy, de niala takeo Izy. Ôla betsaka no nagnaraka an'Azy, ary nositraniny izy daôly. 16De nandidy an'azy reo Izy mba tsy hampafantatra an'Azy amin'ny hafa, 17mba hahatanteraka, ze efa nambara tamin'ny alalan'Isaia mpamignany, magnano hoe:18"Jereo, ny mpanompoko ze nofidiko; ry le malalako, ze sitrakin'ny fagnako indrindra. Hapetrako akao aminy ny fagnako, ary hagnambara ny fitsaràna amin'ny Jentilisa izy."19Tsy hifanditra na hiantso mafy izy: ary tsy hisy ôla areigny ny feony egny an-dalàna. 20Tsy hanapaka ny volotara torotoro izy; tsy hamono ze lan-jiro magnetroka, mandra-pagnaony ny rariny ho fandresena, 21ary amin'ny agnarany no hanagnan'ireo Jentilisa fagnantenana."22Avy akeo nisy ôla jamba sy môgna, nipetran'ny demonia, nindesina takeo amin'ny Jesosy. Nositragniny izy, vokatry zany de nitare sy nahita le môgna. 23Gaga reo vahôka daôly ka nitare hoe: "Ngamba io leila io ma no Zanak'i Davida?"24Kanefa rafa nareigny zany fahagagana zany reo Fariseo, de ozy zareo hoe: "Io leila io de tsy mamôka demonia raha-tsy amin'ny alalan'i Belzeboba, lehiben'ny demonia." 25Kanefa fantatr'i Jesosy ny eritreritr'izy reo ka nitare an-jareo izy hoe: "Ny fanjakana ze miady an-tragno de tsy haharitra, ary ny tanàna na trano ze miady an-tragno de ho rava."26Raha mamôka satana ny satana,de miady an-tragno izy. Ahôgna no zany no hijoroan'ny fanjakany? 27Ary raha mamôka reo demonia amin'ny alalan'i belzeboba Za, de amin'ny alalan'iza no adroasan'ny zanakareo an'azy reo? No zany antony zany de ho mpitsaranao izy reo.28Kanefa raha mamôka reo demonia amin'ny alalan'ny Fagnan'Andriamanitra Za, de efa tonga aminareo ny Fanjakan'Andriamanitra. 29Amin'ny fomba akôry no afan'ny ôla miditra akao an-tranon'ny leila mahery ary maka reo fanagnany raha tsy hafatotra aloa le leila mahery? Avy akeo haka reo fanagnany akao an-dragnony izy. 30Ze tsy momba an'Azy de manotra an'Ana, ary ze tsy mitambatra miaraka Aminà de misaraka.31No zany lazaiko aminareo fa ho vôvela heloka ny ôla amin'ny fahotana sy fitenenan-dratsy daôly, fa ny fitenenan-dratsy amin'ny Fagna Masina de tsy hahazôna famelan-keloka. 32Na iza na iza mitare manoitra ny Zanak'Ôla, de ho vôvela izy. Fa na iza mitare manoitra ny Fagna Masina, de tsy ho vôvela izy, na amin'zao fiaignana zao, na amin'ze ho avy.33Karakarao tsara ny hazo de hamoa tsara zany, na atôvy ratsy ny fikarakarana ny hazo de hamoa ratsy zany, fa fantatra amin'ny vôgny ny hazo. 34Anareo taranaky ny menarena, satria ratsy fagna anareo, koa akôry no afanareo mitare ra tsara? Fa avy amin'ny haben'ny akao am-po no itenenan'ny vavany. 35Ny ôla tsara avy amin'ny harena tsara akao am-pony de mamokatra ze tsara, ary ny olon-dratsy avy amin'ny harena ratsy akao am-pony de mamokatra ze ratsy.36Lazaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana de ho adinina amin'ny teny tsy vôhevitra nolazainy avy ny ôla. 37Fa ny teninao no hagnamarinana anao , ary ny teninao ho hangamelohana anareo."38Avy akeo nisy mpanora-dalàna sy Fariseo sasantsasagny namaly an'i Jesosy ary nitare hoe: "Ry Mpampianatra, magniry ny ahita famatarana avy aminao zahay." 39Fa namaly Jesosy ary nitare an'jareo hoe: "Misy taranaka ratsy fagna sy mpijangajanga mitady famantarana omena an'azy afa-tsy ny famataran'i Jaona mpaminany. 40Fa ôtran'i Jona ze telo andro sy telo alina takao an-kibon'ny trondro geda, de ho salan'zany kô no hitoeran'ny zanak'ôla telo andro alina akao agnatin'ny tany.41Reo olon'i Ninive de hitsangana akeo amin'ny fitsarana miaraka amin'ity taranaka ity ary hanameloka izany. Fa nibebaka izy reo tamin'ny toritenin'i Jona, ary indro misy ôla geda noho Jona aketo.42Ny mpanjakavavin'ny atsimo de hiara-hitsangana amin'reo leilan'ity taranaka ty amin'ny andron'ny fitsarana ary hanameloka izany. Tonga avy aigny amin'ny faran'ny tany izy mba hareigny ny fahendren'i Salomona, ary indro, misy ôla geda noho Solomona aketo.43Rafa nisy fagna ratsy niala takao amin'ny leila raika, de mandalo tagny karakaina izy ary mitady fitsaharana, nefa tsy maitan'zany. 44Zany de milaza hoe: "Hiverigna aigny amin'ny tranoko ze neviko za." Ary nony tonga, de naita fa vôfafa ny trano ary nilamina. 45Avy akeo de nande ary nitondra fagna ratsy fito niaraka taminy ze ratsy miotra an'azy, ka niditra nipetraka takao izy daôly. Avy akeo niha-ratsy noho ny vôlôny ny fiafaran'zany leila zany. Ary ho salan-zany kô ny amin'ity taranaka ratsy fagna ity."46Raha mbola nitare tamin'reo vahôka Jesosy, de indreo, ny reniny sy reo rahalàny nijoro taigny ivelany, nitady hiresaka aminy. 47Nisy ôla raika nitare taminy hoe: "Jereo, ny reninao sy reo rahalànao mijoro akao ivelany, mitady iresaka aminao."48Fa namaly Jesosy ary nitare tamin'le nitare an'Azy hoe, "Iza no reniko ary iza reo rahalàko?" 49Avy akeo nahijiny tamin'reo mpianagny ny tanany ary nitare hoe: "Jereo, fa ireto ny reniko sy reo rahalàko! 50Fa ze magnano ny sitrapon'ny Raiko ze aigny an-dagnitra, de zany ôla zany no rahalàko, sy ny agnabaviko, ary reniko."
Chapter 13

1Tam'zany andro zany Jesosy nande nivôka ny tragno ary nipetraka takeo amoron'ny ranomasina. 2Nisy vahôka betsaka nitangorona nagnodidina an'Azy, ka de niditra takao an-tsambokely Izy ary nipetraka takao am'zany, raha nitsangana takeo amoron-dranomasina kosa ny vahôka daôly.3Avy akeo Jesosy nilaza ra betsaka tamin-jareo tamin'ny alalan'ny fagnoharana. Ozy hoe: "Indro, nisy mpamboly raika nande nivôka hamafy voa. 4Raha izy namafy igny, de nisy voa sasany latsaka taigny amoron-dalana, ary avy reo vorogna ka ninana reo. 5Reo voa hafa ndre de latsaka taigny amin'ny tany be vato, ze tsy nahazon'reo nofon-tany tsara. Avy hatraigny de naniry reo, satria tsy laligna ny tany. 6Fa rafa nipôka ny masoandro, de maigna reo satria tsisy fakany, ary de nalazo.7Nilatsaka tagnaty tsilo reo voa hafa. Naniry reo tsilo ary nangeja an-jareo. 8Reo voa hafa nilatsaka tamin'ny tany tsara ary namoa voa, ny sasagny avy zato heny, ny sasagny enim-polo, ary ny sasagny telo-polo. 9Ze manan-tsofina, ôka izy hitaino."10De avy reo mpianatra ary niteny an'i Jesosy hoe: "Nagnino Anao no mikoragna am'reo vahôka amin'ny alalan'ny fagnoharana?" 11Namaly Jesosy ary niteny an-jareo hoe: "Anareo no namena tombony hafantatra reo zava-miafin'ny fanjakan'ny lagnitra, fa ho an-jareo de tsy namena an'zany.12 Satria n'iza n'iza managna, de ho betsaka kokoa aza no amena an'azy. Fa n'iza n'iza kosa tsy managna, na ze anagnany aza alàna amin'azy.13Zany no antony hikoragnako amin-jareo amin'ny alalan'ny fagnoarana: Na de mijery aza zareo, de tsy mahita; ary na de mitaino aza zareo, de tsy maregny, na mafantatra. 14Amin-jareo ny faminagnian'i Isaia no tanteraka, ze milaza hoe: "Rafa mitaino de handregny anareo, saingy tsy hafantatra miitsy; rafa mijery de hahita anareo, singy tsy hatakatra.15Fa lasa donto ny fon'ity vahôka ty, ary mafy sofigna zareo, ary nakipin-jareo ny masony, mbô tsy hahita amin'ny mason-jareo, na haregny amin'ny sofin-jareo, na hafantatra amin'ny fon-jareo, ka hibebaka ndre zareo, ary hagnasitrana an-jareo Za."16Fa sambatra ny masonareo, satria mahita; ary ny sofignareo, satria maregny. 17Lazaiko marina aminareo fa mpaminagny sy ôlo-marina betsaka no nagniry hatazagna reo ra ze hitanareo, kanefa tsy natazagna an'reo. Nagniry ny handregny reo ra ze regninareo zareo, kanefa tsy naregny an'reo.18Ka mienoa ary ny fagnoharana ny amin'ny mpamboly raika ze namafy ny voany.19 Rafa misy maregny ny tenin'ny fanjakana kanefa tsy mafantatra an'zany, de tonga le ratsy ary magnongotra ze nafafy takao am-pony. Io le voa nafafy taigny amoron-dalana.20Le nafafy taigny amin'ny tany be vato de ny ôla ze maregny ny teny ary avy hatraigny de mandray an'zany am-pifalena, 21saingy tsy mbola latsa-paka akao agnatiny izy ary de maharitra veiketika fôgna. Rafa tonga ny fahorena na ny fagnenjena nohon'ny amin'ny teny, de malady tafitona izy.22Le nafafy taigny amin'ny tsilo, io de ny ôla ze maregny ny teny, saingy ny fiahiahian'zao tontolo zao sy ny fitaky ny harena no mangeja ny teny, ary de lasa tsy mamoa izy. 23Le nafafy takeo amin'ny tany tsara, io no ôla ze mandregny ny teny ary mahazo an'zany. Mamoa voankazo izy ary matonga ny voany raika, hagnome avo zato heny mihôtra ze nambolena, ny sasagny enim-polo, ny sasagny avo telopolo heny."24Naregny fagnoharana raika hafa tamin-jareo Jesosy. Ozy hoe: "Ny fanjakan'ny lagnitra de salan'ny leila raika ze namafy voa tsara takao an-tanimboliny. 25Fa raha natory igny ny ôla, de tonga ny favalony ary namafy vôn'ahidratsy iany kô takao am'reo vary ary nande. 26Rafa nitsimoka reo vary ary avy akeo namokatra reo voany, de nipoitra iany kô reo vôn'ahidratsy.27Tonga reo mpiasan'ny tompon-tany ary nitare hoe: "Tompoko, tsy namafy voa tsara takao an-tanimbolinao ma anao? Nagnino izy am'zao fotôna no misy vôn'ahidratsy?28 Ozy tamin-jareo hoe: "Nisy favalo nagnano an'zany." Ozy reo mpiasa tamin'azy hoe: "Ka tenao ma ny handiananay manongotra an-jareo?"29Le tompon-tany nitare hoe: "Tsia. Satria raha magnongotra reo ahidratsy anareo, de mety hagnongotra ny fakan'reo vary miaraka am'reo kô. 30Avelao hiaraka haniry zareo rôy hatramin'ny fandidena. Amin'ny fotônan'ny fandidena de hitare amin'ny mpandidy za hoe: "Alao alô reo ahidratsy ary fihezo ho fatotra maromaro mbô ho dorôna zareo, fa angony akao amin'ny fitôram-bokatro kosa reo vary.""31Avekeo Jesosy de nilaza fagnoharana raika hafa tamin-jareo. Ozy hoe: "Ny fanjakan'ny lagnitra de ôtran'ny vôtsinampy ze nalain'ny leila raika ary nafafiny takeo amin'ny tanimboliny. 32Io voa io no voa tegna kitika ndrindra amin'ny voa daôly. Fa rafa maniry zany, de geda noho reo zava-maniry akao amin'ny tanimboly. Lasa hazo zany, mbô iaven'reo vorogna amin'ny habakabaka ary hagnano ny akanin-jareo akeo amin'ny rantsagny."33Avekeo Jesosy nilaza fagnoharana raika hafa. "Ny fanjakan'ny lagnitra de ôtran'ny lalivay ze nalain'ny vevavy raika ary nafangarony tamina lafarinina intelo famarana mandra-pibontsin'ny koba manontolo."34Fagnoharana no nagnambaran'i Jesosy reo ra daôly reo tamin'ny vahôka; ary tsy nilaza na ino na ino tamin-jareo afa tsy tamin'ny fagnoharana Izy. 35Zany de mbô hatanteraka ze nolazaina tamin'ny alalan'ny mpaminagny, rafa nitare Izy hoe: "Za hiloa-bava amin'ny alalan'ny fagnoharana. Hilaza ra ze nasitrika hatram'zay nagnorenana zao tontolo zao Za."36Avy akeo Jesosy niala an'reo vahôka ary niditra tan-dragno. Nankeo amin'Azy reo mpianany ary nitare hoe: "Azavao aminay ny fagnoarana mikasika an'le voan'ahidratsy tao an-tanimboly."37 Namaly Jesosy ary nitare hoe: "Le mpamafy voa tsara de ny Zanak'Ôla. 38Ny tanimboly de zao tontolo zao; ary ny voa tsara, re no zanaky ny fanjakana. Ny voan'ahidratsy de reo zanaky ny ratsy, 39ary ny favalo ze mamafy an'azy de ny devoly. Ny fijinjana de ny fiafaran'zao tontolo zao, ary ny mpijinja de reo anjely.40Noho zany, ôtran'ny anangonana sy andorôna reo ahidratsy amin'ny afo, no atao kô amin'ny fiafaran'zao tontolo zao. 41Haniraka reo anjeliny ny Zanak'Ôla, ary ho angonin-jareo hiala amin'ny fanjakany reo ra daôly ze matonga fahotana, sy reo ze magnano ratsy. 42Ho atsipin-jareo akao amin'ny fatagna gedabe mirehitra afo zareo, ze hisy fitomagnena sy hidy vazana. 43Avy akeo hamiratra salan'ny masoandro akao amin'ny fanjakan'ny Rain-jareo ny ôlo-marina. Ze manan-tsofigna izy, ôka izy hitaino.44Ny fanjakan'ny lagnitra de salan'ny harena ze misitrika akao amin'ny tanimboly raika. Nisy leila nahita an'zany ary nasitrigny. Nande tamin'ny hafalena izy, nivarotra ze ra daôly nanagnany, ary nividy io tanimboly io. 45Ary kô, ny fanjakan'ny lagnitra de salan'ny leila ze mpivarotra mikaraka voahangy lafo vidy.46 Rafa nahita voahangy raika ze tegna lafo vidy izy, de nande ka nivarotra ze ra daôly nanagnany ka nividy an'zany.47Ary kô, ny fanjakan'ny lagnitra de salan'ny harato ze natsipy taigny an-dranomasina ary nahazo reo karazan-drà managn'aigna. 48Rafa feno zany de nitaritin'reo mpagnarato ho akeo amoron-dranomasina. Avy akeo zareo nipetraka ka nitsimpona reo ra tsara ho akao amin'ny fitôrany, fa reo ra tsy ilaina kosa narian-jareo.49Ho salan'zany amin'ny fiafaran'zao tontolo zao. Ho avy reo anjely ary hagnavaka reo ratsy fanahy am'reo marina.50 Hatsipin-jareo akao amin'ny fandorôna gedabe miretra afo zareo, ze hisy ny fitomagnena sy fikitroha-nify.51Azonareo ma zany ra daôly zany?" Ozy ny mpianany tamin'azy hoe: "Eny." 52Avy akeo Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Noho zany ny mpagnora-dalàna daôly ze lasana mpianatra akeo amin'ny fanjakan'ny lagnitra de salan'ny leila tompon-tragno raika, ze mamôka reo ra efa koro sy reo ra mbola vaovao avy akao amin'ny hareny."53 Avy akeo rafa navita reo fgnoharana reo Jesosy, de niala tam'zany toerana zany Izy.54Avy akeo Jesosy niditra takao amin'ny taniny manokana ary nampianatra reo vahôka takao amin'ny synagogan-jareo. Vokatr'zany de gaga zareo ary nitare hoe: "Avy aiza no ahazoan'ty leila ty ny fahendreny sy reo fagagana reo? 55Tsy io leila io ma no zanak'le mpandrafitra? Tsy Maria ma no agnantsôvana ny mamany? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy ma no ralàny?56 Tsy miaraka amitsika ma reo anabaviny daôly? Avy aiza no nazaôny reo ra daôly reo?"57Tona nohon'ny amin'Azy zareo. Fa ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Tsisy mpaminagny tsisy varany raha tsy akao amin'ny fireneny sy akao amin'ny fianakaveny iany." 58Tsy de nagnano fagagana be takao Izy nohon'ny tsy finoan-jareo.
Chapter 14

1Tam'zany fotôna zany, Heroda mpanapaka nandregny ny vaovao momba an'i Jesosy. 2Ozy tam'reo mpanompony hoe: "I Jaona mpagnano batiza zany; nitsangana tamin'ny maty izy. Noho zany de miasa akao amin'azy reo hery reo."3Fa Heroda nisambotra an'i Jaona, namatotra an'azy, ary nandefa an'azy taigny an-tragnomaizigna noho i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalàny. 4Fa ozy Jaona tamin'azy hoe: "Tsy ara-dalàna ho an'nao ny managna an'azy ho vadinao." 5Naniry ny hamono an'azy Heroda, saingy natatra an'reo vahôka izy, satria noraisin-jareo ôtran'ny mpaminagny izy.6Fa rafa tonga ny fitsingerenan'ny andro natern'i Heroda, de nandihy takeo am-povôn'reo vahiny nasaina ny zanaka vavin'i Herodiasy ka nafinaritra an'i Heroda. 7Ho setrin'zany, de nampanantegna tamin'ny fianianana izy hagnome an'ze hangatahiny na ino na ino.8Rafa avy notoroan'ny reniny marika, de ozy hoe: "Ameo anà aketo, agnaty vile, ny lôha'i Jaona mpagnano Batisa." 9Nalaelo mafy nohon'ny fangatany ny mpanjaka, saingy nohon'ny voadiny sy noho reo daôly nisakafo niaraka tamin'azy, de nagnome baiko izy fa tokony ho vita zany.10Nagniraka ka nanapaka ny lôhan'i Jaona takao an-tragnomaizigna izy. 11Avy akeo nentina tamin'ny vilé ny lôhany ary namena an'le zazavavy ary nentiny takeo amin'ny reniny zany. 12Avy akeo de tonga reo mpianagny, niaka an'le faty, ary nandevina an'zany. Tafaran'zany, de nande zareo ary nilaza tamin'i Jesosy.13Ary rafa nandregny an'zany Jesosy, de niala avy teo amina sambokely raika izy hankaigny amina tôrana mitokana raika. Rafa nandregny an'zany reo vahôka, de nagnaraka an'Azy an-tongotra avy taigny am'reo tanàn-debe. 14Avy akeo Jesosy nankeo agnolôn-jareo ary natazagna an'reo vahôka betsaka be. Nangoraka an-jareo Izy ary nagnasitrana ny aretin-jareo.15Rafa tonga ny hariva, de nankeo amin'azy reo mpianany ary nitare hoe: "Ty de tôrana fôana, ary efa tapitra sady ny andro. Alefaso reo vahôka, mbô hafan-jareo mande aigny am'reo tanàna ary hividy sakafo ho an'ny tegnan-jareo."16Fa Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Tsy mila mande lavitra zareo. Amenareo ra hohanina zareo." 17Ozy zareo tamin'Azy hoe: "Mofo dimy sy lapia rôy fôgna no hanagnanay eto." 18Ozy Jesosy hoe: "Ento aty aminà zany."19Avy akeo Jesosy nibaiko an'reo vahôka mbô hipetraka akeo amin'ny bozaka. Nalainy reo mofo dimy sy lapia rôy. Nendrandra taigny an-dagnitra, de nisaotra Izy ary nanapaka reo mofo ka nameny an'reo mpianatra, ary reo mpianatra nagnome an'zany ho an'reo vahôka. 20Nihinana avokoa izy daôly ary voky. Avy akeo de nangonin-jareo ny sisan'reo poti-tsakafo ka nafeno rombefolo harona. 21Teo amin'ny dimy arivo lahy teo reo nihinana, ankôtran'reo zaza amam-bevavy.22Avy hatraigny de nasainy nankao amin'ny sambokely ary nande hialô an'Azy ho aigny ampita reo mpianany, raha mbôla nandefa reo vahôka Izy. 23Tafaran'ny nandefasany an'reo vahôka, de nande niakatra taigny an-tanety rerika Izy mbô hivavaka. Rafa tonga ny hariva, de rerika teo Izy. 24Ary ny sambo de efa lasa lavitra ny tanety, natopatopan'ny onja, satria nitsoka nanohitra an-jareo ny rivotra.25Tamin'ny fembenana faefatry ny alina de nagnatona an-jareo Jesosy, nande taigny ambony ranomasina. 26Rafa natazagna an'Azy nande tambony ragnomasina reo mpianatra, de raiki-tatra ka niteny hoe: "Matotoa io," ary de nikikika natatra zareo. 27Fa Jesosy nitare tamin-jareo avy hatraigny hoe: "Mahereza! Za ty! Aza matatra."28Namaly an'Azy Petera ka nagnano hoe: "Tompo, raha Anao io, de asaivo magnatona An'nao aigny ambonin'ny rano za." 29Ozy Jesosy hoe: "Magnatona" ka de niala avy takao amin'ny sambokely Petera ary nande teo ambony rano mbô hagnatona an'i Jesosy. 30Fa rafa natazagna ny rivotra Petera, de lasa natatra. Raha igny izy nagnomboka nilentika igny, de nikikika mafy izy sady nitare hoe: "Tompo, vonjeo za!"31Avy hatraigny Jesosy de naninjitra ny tànany, nitana an'i Petera, ary nitare tamin'azy hoe: "Anao ry kely finoana, fa magnino anao no magnahiahy?" 32Avekeo Jesosy sy Petera nande nihazo ny sambokely, nitsatra nitsoka ny rivotra. 33Avy akeo reo mpianatra tao agnaty sambokely nidera an'i Jesosy ary nitare hoe: "Anao marina no Zanak'Andriamanitra."34Rafa avy nempita zareo, de tonga taigny an-tanety takao Genesareta. 35Rafa nafantatra an'i Jesosy reo leila takao am'zany tôrana zany, de nandefa hafatra taigny amin'ny faritra magnodidina daôly, ary nentin-jareo takeo amin'Azy ze ôla narary daôly. 36Nitalaho tamin'Azy zareo mbô hafahan-jareo mikasika ny oron'ankanjony fotsiny iany, ary betsaka reo nikasika an'zany ka sitrana.

Chapter 15

1Avy akeo nisy Fariseo sy mpanora-dalana sasatsasagny avy aigny Jerosalema nagnatogna an'i Jesosy. Ozy zareo: 2"Nagnino ny mpianatrao no mandika ny fomban-drazagn'reo zoky ôla? Fa tsy manasa ny tagnany zareo melôn'ny hiinana." 3Namaly Izy ary nitare tam'jareo hoe: "Kô nagnino ary anareo no mandika ny lalàn'Andriamanitra noho ny fomban-drazagnareo?4Fa Andriamanitra nitare hoe: 'Hajao ny rainao sy ny reninao', ary 'Ze miteny ratsy ny rainy na ny reniny, de ho foaty tokô.' 5Fa anareo miteny hoe: 'Na iza na iza milaza amin'ny rainy na reniny hoe: "Na ino na ino fagnampena ze azonareo avy aminà de fagnomezagna ho an'Andriamanitra am'zaio fotôgna zao", 6zany ôla zany de tsy mila magnaja ny rainy. Am'zany fomba zany de nofoagnanareo ny tenin'Andriamanitra noho ny tombontson'reo fomban-drazagnareo.7Ry mpetsaravelatsy! Marina ny faminagnen'Isaia mombo an'nareo raha nilaza izy hoe: 8Ty vahôka ty de magnaja anà amin'ny molotr'izy reo, fa ny fon'izy reo de lavitra anà.9 Tsisy dikany ny fiderany anà, satria izy reo mampianatra ny didin'olombela ôtran'ny fampianaran'izy reo."10Avy akeo nagnantso ny vahôka ho akeo am'Azy Izy ary nitare tam'izy reo hoe: "Mitandrignesa ka mazaô. 11Tsy ny miditra akao ambavan'ny ôla no mandoto ny ôla. Fa kosa, ze avôkon'ny vava, no mandoto ny ôla."12Avy akeo nagnatona reo mpianatra ary nitare tam'i Jesosy hoe: "Mo ve fantatrao fa tezitra reo Fariseo noho ny naregny zany teny zany?" 13Jesosy namaly ka nitare hoe: "Reo ra-maniry ze tsy nambolen'le Raiko aigny an-dagnitra de ho fongorina avokô. 14Avilao zareo ho akeo, izy reo de mpitarika jamba. Raha misy ôla jamba raika mitarika jamba raika hafa, de samby hivarigna an-kady izy rôy."15Petera namaly ka nitare tam'i Jesosy hoe: "Azavap aminay zany fagnoarana zany." 16Ozy Jesosy hoe: Tsy manam-palalana iagny kô ma anareo?" 17Tsy hitanao ma fa ze miditra amin'ny vava de mankao an-kibo ary avy akeo de havôka aigny amin'ny lava-piringa?18Fa re ra ze avôkan'vava de avy amin'ny fo. Reo ra reo no mandoto ny ôla raika. 19Fa avy amin'ny fo no ivoan'ny saigna ratsy, ny vono ôla, ny fijangajangana, ny fangalam-badin'ôla, ny halatra, ny fijorôra vavolombelona tsy marina, ary ny fitenenan-dratsy. 20Reo ra reo no mandoto ny ôla raika. Fa ny mihinana amin'ny tagnana tsy misasa de tsy mandoto ny ôla raika.21Avy akeo Jesosy niala takeo ka niverigna taigny amin'ny faritanin'i Tyro sy Sidona. 22Indro, nisy vevavy Kananita raika avy am'zany faritra zany. Nagnantso mafy izy ary nitare hoe: "Mamindrà fo aminà, ry Tompo, Zanak'i Davida o! Ny zanako vavy de ampahorin'ny demonia mafy." 23 Fa Jesosy tsy namaly teny an'azy. Nagnatogna reo mpianany ka nengavy tam'Azy, nagnano hoe: "Roaso izy, fa mitabataba mafy amintsika."24Fa Jesosy namaly ary nitare hoe: " Tsy nirana ho an'iza na iza Za afa-tsy ho an'ny ondry very akao amin'ny ankohonan'Israely." 25Fa tonga nangataka sy niankoka takeo agnatreny izy, nagnano hoe: "Tompo, vonjeo za." 26Namaly Izy ka nagnano hoe: "Tsy rariny raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an'ny ambô."27Fa ozy izy hoe: "Eny, Tompo, fa na de ny ambô aza mba mihinana ze sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony." 28De namaly Jesosy ary nitare taminy hoe: "Ravevavy, leibe ny finonao, ho tanteraka aminao ane zany araka ze irinao." De sitrana ny zanagny vavy tam'zany ora zany.29Niala takeo Jesosy ka nankaigny ankekin'ranomasin'ny Galilia. Avy akeo de niakatra takaigny an-tanety raika Izy ka nipetra takeo. 30Vahôka betsaka no nagnatogna an'Azy. Ndesin'jareo niaraka tam'jareo ny mandringa, ny jamba, ny môna, ny kilemaina, ary marary maro hafa kô. Napetrak'jareo takeo an-tongotr'i Jesosy reo, ka de nositraniny. 31Kô de talanjogna ny vahôka raha natazagna reo môna miteny, ny kilemaina sitrana, ny malemy afaka mandé, ary ny jamba mahita. Nakalaza ny Andriamanitr'Israely zareo.32Nagnantso reo mpianany mba hagnatogna an'Azy Jesosy ary nitare hoe: "Mangoraka reo vahôka Za, satria efa telo andro sady zareo no nipetraka niaraka tamina nefa tsy managna ho hanina. Tsy te handefa an'azy reo tsy mihinana Za, fa ndraindray mety ho toragna aigny an-dalàna aigny." 33Ozy reo mpianatra Taminà hoe: "Aiza no hahitanay mofo antognona sy ampy an'reo vahôka maro be reo aty agnefitra?" 34Ozy Jesosy tam'jareo hoe: "Mofo firy no aigny aminareo?" Ary ozy zereo hoe: "Fito, sy hazandrano madinika vitsy." 35Avy akeo Jesosy nandidy ny vahôka mba hipetraka amin'ny tany.36Nandray ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rafa nisôtra, de namaky ny mofo ka nanolotra reo ho an'ny mpianatra. Reo mpianatra nagnome ho an'ny vahôka.37 Nignana ka afa-po ny vahôka rahetra. Avy akeo zareo nagnangona karapaka fito feno sombintsombiny ze tsy lany. 38Reo ze nihinana de efatrarivo là, tsy akao agnatiny ny zaza amim-bevavy. 39Avy akeo Jesosy nampody ny vahôka ka nondrana an-tsambokely ary de nankaigny amin'ny faritr'i Magadana.
Chapter 16

1Tonga reo Fariseo sy Sadoseo ary nitsapa an'Azy ka nangataka an'Azy mba hampiseho an'azy reo famantarana avy akaigny an-dagnitra. 2Fa Izy namaly ary nitare an-jareo hoe: "Rafa ariva, de ozy nareo hoe: Ho tsara ny andro, fa mena ny lagnitra."3Rafa ampolakeka, de ozy nareo hoe: "Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lagnitra." Hainareo ny mamantatra ny endriky ny lagnitra, fa nareo tsy afaka mandika reo famantarana ny fotôna. 4Ny taranaka ratsy sy mpijanganjanga de mikaraka famantarana, fa tsisy famatarana hamena an'azy ankôtra ny famantaran'i Jona." Avy akeo Jesosy nandao an'azy reo ka lasa.5Rafa tonga taigny ampita reo mpianatra, de adinon-jareo ny nitondra mofo. 6Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Miabena ary mitandrema amin'ny masirasiran'reo Fariseo sy Sadoseo." 7Niady hevitra reo mpianatra ka nilaza hoe: "No tsika tsy nitondra mofo zany." 8Jesosy nafantatra izany ka nitare hoe: "Anareo ry kely finona, nagnino nareo no miady hevitra ka mitare fa nony tsy nitondranareo mofo izany?9Mbola tsy fantatrareo na tadidinareo ma ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo là, ary sobika firy no nangoninareo? 10Na reo mofo fito ho an'reo efatr'arivo, ary sobika firy no nalainareo?11Nagnino no tsy azaôgnareo fa tsy momban'ny mofo no nolazaiko anareo? Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'reo Fariseo sy Sadoseo. 12Avy akeo azon-jareo fa tsy hitandrina amin'ny masirasiran'ny mofo no nolazainy an'azy reo, fa hitandrina ny amin'ny fampegnaran'ireo Fariseo sy Sadoseo.13Ary rafa tonga takaigny amin'ny faritra akaikin'ny Kaisaria-filipo Jesosy, de nagnontagny reo mpianagny Izy, magnano hoe: "Atôn'ny ôla ho iza ma ny Zanak'Ôla? 14Ozy izy reo hoe: "Ny sasagny milaza fa Jaona mpagnano batisa; ny sasagny nagnano hoe: Elia mpaminagny; ary reo hafa nagnano hoe: Jeremia, na raika amin'reo mpaminagny." 15Ozy Izy tamin-jareo hoe: "Fa nareo kosa magnano an'Anà ho iza?" 16Namaly Simona Petera nagnano hoe: "Enao no Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra velogna".17Namaly Jesosy ka nagnano taminy hoe: "Sambatra enao ry Simona Bar-jaona, fa tsy ny nofo sy rà no naneho izany taminao, fa ny Raiko ze akaigny an-dagnitra. 18Lazaiko aminao iany kô fa enao no Petera, ary ambonin-ty vatolampy ty no hagnorenako ny fengonako. Ny vavahadin'ny fasagna de tsy haharesy izany.19Hameko anao ny lakilen'ny fanjakan'ny lagnitra. Na ino na ino fehezinao aketo ambonin'ny tany de ho fehezina akaigny an-dagnitra, ary na ino na ino vahanao aty an-tany de ho vahana akaigny an-dagnitra." 20Avy akeo Jesosy nandidy reo mpianatra fa izy reo de tsy tokony hilaza na amin'izy na iza fa Izy no Kristy.21Tamin-zany fotôgna zany Jesosy nagnomboka nitare reo mpianagny fa tsy maintsy ho agny Jerosalema, hizaka fijalegna betsaka akeo an-tagnany loholona sy ny lohan'ny mpisorogna ary reo mpanora-dalàna, ho vonoina, sy hatsangana ndre amin'ny andro fatelo. 22Avy akeo Petera naka an'Azy ka nitare mafy an'Azy, magnano hoe: "Ho lavitra anao ane zany, ry Tompo; tsy hitranga aminao mintsy ane zany." 23Fa Jesosy nitodika ka nitare tamin'ny Petera hoe: "Mialà agny an-damosiko ry Satana! Enao de fagnafitohinana ho Anà, no enao tsy miraharaha reo ran'Andriamanitra, fa reo ran'ny ôla."24Avy akeo Jesosy nitare tamin-reo mpianagny hoe: "Raha misy te-hanaraka an'Anà, de tsy maintsy mandà ny tegnany izy, hitondra ny hazofijaliany, ary manaraka an'Anà. 25Fa na iza na iza te-hamonjy ny aigny de hahavery an'azy, ary na iza na iza no hahavery ny aigny nony aminà, de hahazo izany. 26Fa in ma no soa ho azon'ny ôla raha mahazo izao tontolo zao kanefa very ny aigny? Ino no omen'ny ôla ho takalon'ny aigny?27Fa ny Zanak'Ôla de ho avy amin'ny voninahitra ny Rainy miaraka amin-reo anjeliny. Avy akeo Izy hamaly soa ny ôla tsiraikaraika araka ze vitany. 28Lazaiko marina aminareo, fa misy sasagny aminareo ze mijoro aketo no tsy hitsapa ny fafatesagna mandrapahitan'izy reo ny Zanak'Ôla tonga amin'ny fanjakany."
Chapter 17

1Enin'andro tato afara Jesosy de nialaka an'i Petera, Jakoba, sy Jaona ralàny niaraka tamin'Azy, ary nindesiny zareo niakatra ny tanety ambo tamin'ny tegnan-jareo. 2Niôva endrika takeo alôn-jareo Izy. Namiratra salan'ny masoandro ny tavany, ary reo fitafiny lasana namiratra salan'ny ny hazavana.3Indro, nibôgna tamin-jareo Mosesy sy Elia nikoragna tamin'Azy. 4Namaly Petera ary nagnano tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, tsara amintsika ny aketo. Raha sitrakao, de hagnano felofana telo ho antsika aketo za,ny raika ho Anao, ny raika ho an'i Mosesy, ary ho an'i Elia."5Raha mbôla nitare Izy, indro, nisy rondro mazava nanarogna an'azy reo, ary indro, nisy feo nivôka avy tao amin'ny rondro, nagnano hoe: "Ity ny Zanako malalako, ze sitrako tokôtra. Henoy Izy" 6Rafa reignin'ireo mpianatra zany, de lavo zareo ary natatra mafy. 7Avy akeo avy Jesosy ary nikasika an'azy reo ka nitare hoe: "Mitsangàna ary aza matatra" 8Avy akeo de nitazagna agnambo zareo fa tsy natazagna na iza na iza afa-tsy Jesosy rerika fôgna.9Rafa nidigna ny tanety zareo, de nandidy an'azy ireo Jesosy, nagnano hoe: "Aza milaza zao fahitana zao na amin'iza na iza mandra-pitsangan'ny Zanak'Ôla amin'ny maty" 10Nagnontany an'Azy reo mpianany, nagnano hoe: "Nagnino ary ireo mpanora-dalàna no milaza fa Elia de tsy maintsy ho avy alô?"11Jesosy namaly ary nitare hoe: "Elia de ho avy tokôtrany ary hamerigna amin'ny laoniny ny ra daôly. 12Nefa lazaiko aminareo, fa efa tonga Elia, fa zareo tsy nahafantatra an'azy Mifanoitra ami'zany fa, nagnano ny ra daôly ze teny natao taminazy zareo. Ary salan'zany fôgna kô, ny Zanak'Ôla iany kô de hijaly akeo an-tagnan-jareo. 13Avy akeo de takatr'ireo mpianatra fa nitare tamin-jareo ny momba an'i Jaona mpagnano Batisa Izy.14Rafa tonga takeo amin'ny vahôka zareo, de nisy leila raika nagnatogna an'Azy, niandoalika takeo agnoloany, ary nitare hoe,15 "Tompo, manàgna famindram-po amin'ny zanako là, fa vôn'ny androbe izy ary mijaly mafy. Fa lavo matetika aigny agnaty afo na rano izy. 16Nitondra an'azy takeo ami'ireo mpianatrao za, fa tsy afaka nagnasitrana an'azy zareo."17Namaly Jesosy ary nitare hoe: "Ry taranaka tsy mpino sy maratra toetra, mandra-pahovena no tokony hipetrako miaraka aminareo? Mandra-pahovena no tsy maintsy itôrako miaraka aminareo? Ndeso aketo Amina izy". 18Nitare mafy ny demonia Jesosy, ka nivôka tamin'azy zany ary de sitragna tamin'zany ora zany le gaon-dà.19De nagnatogna an'i Jesosy mangingina reo mpiantra ary nagnano hoe: "Magnino ma no tsy nahavita namôka an'igny zahay?" 20Jesosy nitare an'azy reo hoe: "Noho ny hakelezan'ny finonareo. Fa lazaiko marina aminareo, raha managna finona na de kely salan'ny vôntsinampy aza anareo, de afaka mitare ami'ty tanety ity anareo hoe: "Mifindrà avy aketo ho mankary, de hifindra zany ary tsy hisy na ino na ino tsy ho hainareo atao. 21[Fanamarihana: Ny dikan-teny talô tsara indrindra de tsy hatazagnana ny hoe. "Fa ity karazagna demonia ity de tsy mivôka raha tsy miaraka amin'ny vavaka sy fifadian-kanina."]22Rafa nipetraka taigny Galilia izy reo, de ozy Jesosy tamin'reo mpiagnany hoe: "Ny Zanak'ôla de hatolotra akeo an-tagnan'ôla, 23ary izy reo hamono an'Azy, ary ny andro fatelo de hatsangana Izy." Lasana nalaelo tanteraka reo mpianatra.24Rafa tonga taigny Kapernaomy zareo, de nankeo amin'i Petera reo leila ze nanangona ny hetra atsasaky ny sekely ary nitare hoe: " Tsy mandô ny hetra atsasaky ny sekely ma ny mpampianatrareo?" 25Ozy izy hoe: "Iôny." Fa rafa niditra tao an-drano Petera, de Jesosy alô no nikoragna tamin'azy ka nagnano hoe: "Ino no eritreritrao, ry Simona? Ireo mpanjaka eto an-tany, avy amin'iza ma no andraisan-jareo hetra na hetran'ôla? Avy amin'reo vahôkany ma sa avy amin'reo vahiny?"26Rafa nitare Petera hoe: "Avy amin'reo vahiny," De ozy Jesosy tamin'azy hoe: "De afaka amin'ny fandoavana zany reo vahôka 27Fa mba tsy hampanotantsika ny mpamory hetra, de mandeana aigny amin'ny ranomasina, manipàza fitana akao, ary alaivo ny trondro ze miakatra vôlôny. Rafa vôsokatrao ny vavany, de hatazagna sekely anao. Alaivo zany ary omeo reo mpamory hetra ho an'Anà sy ho an'nao."
Chapter 18

1Tam'zany fotôna zany fôgna kô de tonga takeo amin'i Jesôsy reo mpianany ary nitare hoe: "Iza no geda indrindra aigny amin'ny fanjakan'ny lagnitra?" 2Jesosy nagnantso zaza kely hankeo amin'Azy, nametraka an'azy takeo amin-jareo, 3ary nitare hoe "Lazaiko marina aminareo, fa ra tsy miova salan'ireo zaza kely reo anareo, de tsisy hevitra ny hidiranareo aigny amin'ny fanjakan'ny lagnitra.4Noho zany, n'iza n'iza magnetry tegna salan'ty zaza kely ty de geda ndrindra izy aigny amin'ny fanjakan'ny lagnitra. 5N'iza n'iza mandray ny zaza kely salan'zao amin'ny Agnarako de mandray Anà. 6Fa n'iza n'iza matonga ny raika amin'reto zaza kely reto ze mino an'Anà hanota, de tsara koko ho an'azy ny hagnantognana laona fitotom-bary gedabe akeo amin'ny tendany, ka halentika aigny amin'ny ranomasina laligna izy.7Loza ho an'zao tontolo zao no ny fotônan'ny fanafitoinana! Fa ilaina ny atongavan'zany fotôna zany, nefa loza ho an'ôla ze niaven'zany fotôna zany!8Raha miteraka fanafintohinana ho an'nao ny tagnanao na ny tongotrao, de tapao zany ary alao akeo aminao. Tsara kokoa ho anao ny miditra kilemaina na mandringa aigny amin'ny fiaignana mandrakizay noho ny ho very aigny amin'ny afo tsy mety maty amin'ny fanagnana tagnana rôy na tongotra rôy.9Raha miteraka fanafintohinana ho anao ny masonao raika, hongoto zany ary alao akeo aminao. Fa tsara kokoa ho anao ny miditra aigny amin'ny fiaignana mandrakizay miaraka amin'ny maso ilany noho ny hoe very aigny amin'ny afo tsy mety maty miaraka amin'ny maso roey.10Tandremo tsy hagnano tsinontsino reo zaza kely reo anareo. Fa milaza aminareo Za fa aigny an-dagnitra reo anjeliny de mijery fôgna ny endriky ny Ray. 11[Fanamarihana: Ny dikan-teny talô tsara ndrindra de tsy ahitana ny fehezan-teny ze mitranga ôtrany hoe: "Fa ny Zanak'Ôla de tonga mba hamonjy an'ze very."]12Ino no eritreritrareo? Raha misy managna ondry zato, ka mankaigny amin'ny lalan-diso ny raika am'jareo, de tsy handôsa ny sivy amby sivifolo akeo amin'ny tanety va izy ary ande hikaraka le raika ze nankaigny amin'ny lalan-diso?13 Raha tazany zany, de lazaiko marina aminareo, fa mifaly am'zany mihôtra noho reo sivy amby sivifolo ze tsy nankaigny amin'ny lalan-diso izy.14 Ôtran'zany iany kô, tsy sitraky ny Rainareo aigny an-dagnitra ny hahavery ny raika amin'reo kely reo.15Raha magnota am'nao ny rahalanao, mandàna ary taravo an'azy ny hadisony, aminao sy izy rerika fôgna. Raha miaino an'nao izy, de hifankahazo amin'ny rahalànao ndre anao.16 Kanefa ra tsy miaino an'nao izy, de mangalà raika na rôy hafa miaraka aminao,am'ze mba amin'ny vavan'reo vavolombelona rôy na telo no ahafahana magnamarina ny teny daôly.17Ary raha tsy magneky ny hiaino an'jareo izy, de lazao amin'ny fiangonana ny ra nitranga. Ra tsy magneky hiaino ny fiangonana iany kô izy, de avilao izy ho ôtran'ny Jentilisa sy ny mpamory hetra.18Lazaiko marina aminareo, na ino na ino fehezinareo ety an-tany de ho fehezina aigny an-dagnitra; ary na ino na ino avelanareo aketo an-tany de vôvela aigny an-dagnitra.19 De mbôla lazaiko aminareo ndre hoe: "Raha misy rôy aminareo magneky aketo an-tany ny am'ze daôly angatahan'jareo, de ho hatao ho an'jareo amin'ny alalan'ny Raiko ze aigny an-dagnitra?.20 Fa na aiza misy rôy na telo miara-miangona amin'ny Agnarako, de akeo ampovôn'jareo Za."21Avy takeo nagnatogna Petera ary nitare tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, impiry hagnota aminà ny rahalàko ka hamela an'azy za? Hatramin'ny im-pito ma?22 Jesosy nitare an'azy hoe: "Tsy mitare aminao Za hoe im-pito, fa hatramin'ny fitopolo im-pito.23No zany ny fanjakan'ny lagnitra de salan'ny mpanjaka raika ze te hifandamina ara-bola miaraka am'reo mpiasany. 24Raha vô nanomboka ny fandaminana izy, de nisy mpiasa raika ndesina takeo amin'ze nanagnany talenta iray alina. 25Nefa satria tsy nanagna fomba handoavana an'zany izy , de nandidy ny hamarotana an'azy ny tompony, miaraka amin'ny vadiny sy reo zanagny ary ze hanagnany daôly, ka ho vita ny fandoavan-trosa.26No zany de niondrika le mpiasa ary nenkoka teo agnolônany, ary nitare hoe: 'Tompo, manàgna faharetana aminà, de halôko aminao ny ra daôly'. 27No zany ny tompon'zany mpiasa zany, de nalahelo, ka nagnafaka an'azy ary namela ny trosa tamin'azy.28Fa nivôka io mpanompo io ka natazagna ny raika tam'reo mpiara-miasa amin'azy,ze nanagnany denaria zato. Nosamboriny izy, noraisiny tamin'ny tendany, ary nitare hoe: 'Aloavo amina ze notrosainao'. 29Nefa nitagnondrika io mpiara-miasa amin'azy io ary nengavy tamin'azy, nanagno hoe: 'Manàgna faharetana amina, de halôko aminao ndre.'30Kanefa nandà le mpiasa vôlôny. Mifanôitra am'zany, nande izy ary nataony taigny am-pigadrana le mpiara-miasa amin'azy mandram-pahalôny amin'azy ze notrosainy.31 Rafa natazagna ze nitranga reo mpiara-miasa amin'azy, de nalahelo tokôtra zareo. Nande ary nilaza tamin'ny tompony ze ra daôly niseo zareo.32Avy teo nagnantso an'azy ny tompon'io mpiasa io, ary nitare an'azy hoe: 'Anao ry mpiasa ratsy fagna, namela ny trosa daôly taminao za satria anao nitalaho tamina. 33Tsy tokony hanagna famindram-po amin'ny mpiara-miasa aminao ma anao, sala'ny nanagnako famindram-po taminao?'34Sosy ny tompony ary nitondra an'azy taigny am'reo mpampijaly mandra-padoavagny ze ra daôly notrosainy. 35Salan'zany fôgna kô no hataon'ny Raiko aigny an-dagnitra aminareo, raha tsy mamela ny rahalany amin'ny fony tsiraikaraika avy aminareo.
Chapter 19

1Ary rafa navita reo teny reo Jesosy, niala taigny Galilia Izy, ary nakaigny amin'ny faritr'i Jodia ze taigny andafin'ny reniranon'ny Jordana. 2Vahôka betsaka no nagnaraka an'Azy, ka nagnasitragna an'jareo taigny Izy.3Nagnatona an'Azy reo fariseo, nitsapa an'Azy, nitare tamin'azy hoe: "Ara-dalàna ho an'ny leila ma ny misaraka amin'ny vadiny noho ze mety ho antony daôly?" 4Jesosy namaly ary nitare hoe: "Tsy novakinareo ma fa Izy ze nagnano an'azy reo tamin'ny volôny de nagnano an'azy reo ho làhy sy vavy?5Izy Ze nagnano an'azy reo de nitare iany ko hoe: 'Fa noho zany antony zany de hiala ny rainy sy reniny ny leila ka hikambagna amin'ny vadiny, ary ho lasana nofo raika izy rôy?' 6Ka tsy ho rôy intsony zareo, fa ho nofo raika. Ka ze natambatr'Andriamanitra, ôka tsisy hagnasaraka."7Ozy zareo tamin'azy hoe; "Nagnino zany Mosesy no mandidy an'nay hagnome taratasy fagnamarinam-pisarana ary avy akeo hampody an'azy?" 8Ozy Izy tam'reo hoe: "Fa ny hamafisam-ponareo no namelan'i Mosesy an'nareo hisaraka amin'ny vadinareo, fa tamin'ny volôny de tsy zany no fomba. 9 Lazaiko an'nareo, na iza na iza misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana, ka manambady hafa, de magnitsakitsa-bady; ary ny leila manambady vevavy ze efa nisara-bady de mijangajanga."10Reo mpianatra nitare tamin'i Jesosy hoe: "Rafa zany no toetran'ny leila amin'ny vadiny, de tsy tsara ny manambady." 11Fa Jesosy nitare tamin'reo hoe: "Tsy ny ôla daôly no afaka magneiky zany fampenarana zany, fa reo ze navela hagneiky an'zany fôgna. 12Fa misy reo ionoka ze efa ôtran'zany hatraigny an-kibon-drenin'jareo, ary misy reo ionoka ze nataon'olombelona, ary misy reo ionoka ze magnano ny tenan'jareo ho ionoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Izy ze afaka mandray zany fampiagnarana zany, ôka izy handray izany."13Avy akeo nisy zaza kely sasatsasagny nindesiny teo amin'azy mba hametrany tagnana amin'jareo ka hivavaka, fa nitare mafy an'azy reo ireo mpianatra. 14Fa ozy Jesosy hoe: "Avelao ny zaza kely, ary aza raràna izy reo hagnatogna Ana, satria ny fanjakan'ny lagnitra de an'ny salan'azy reo." 15Napetrany teo amin'reo zaza kely ny tagnany, ary avy akeo niala teo Izy.16Indro, nisy leila nagnatogna an'i Jesosy ary nitare hoe: "Mpampianatra, Ino no ra tsara tsy maintsy ataoko mba hazaôko ny fiaignana mandrakizay?" 17Jesosy nitare taminy hoe: "Nanigno enao no magnotany momba ze tsara aty amina? Raika fôgna no tsara, fa raha te-hiditra aigny amin'ny fiaignana anao, de tandremo reo didy."18Ozy le lehilà tamin'azy hoe: "Didy ino?" De ozy Jesosy hoe: "Aza mamono ôla, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety vavolombelona tsy marina, 19hajao ry rainao sy ny reninao, ary tiavo ny mpiara-belona aminao ôtran'ny tegnanao."20Le gaogna nitare tamin'azy hoe: "Efa nankatoaviko avoko zany daôly zany. Ino no mbôla ilaiko? 21Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Raha magniry ny ho tonga lafatra anao, de mandeana,amidio ze anagnanao, ary ameo ny mahantra, ka hanagna harena aigny an-dagnitra anao; ary ave, magnaraka Ana." 22Fa rafa nareigny ze nolazain'i Jesosy le gaogna, de niala tamin'alaelo izy, satria nanagna fanagnana betsaka.23Ozy Jesosy tamin'reo mpianatra hoe: "Lazaiko marina aminareo, sarotra ho an'ny mpanakarena ny hiditra ny fanjakan'ny lagnitra. 24Ary mbôla lazaiko aminareo ndre,mora kokoa ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vodim-panjaitra noho ny idiran'ny mpanakarena amin'ny fanjankan'Andriamanitra."25Rafa nareigny zany reo mpianatra, de tegna gaga tokoa ka nitare hoe: "Iza ary zany no afaka ho vonjena?" 26Nijery an'azy reo Jesosy ary nitare hoe: "Amin'ny ôla de tsy hay atao zany, fa amin'Andriamanitra ny ra-daôly de azo atao." 27Avy akeo Petera namaly ary nitare hoe: "Indro, navelanay ny ra-daôly ary nagnaraka An'nao zahay. Ino ary no ho azonay?"28Jesosy nitare an'azy reo hoe: "Lazaiko marina aminareo, amin'ny vanim-potôna vaovao rafa mipetraka akeo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'Ôla, de hipetraka akeo amin'ny seza fiandrianana rombefolo iany kô anareo ze nagnaraka Ana, hitsara reo foko rombefolon'Israely.29Ny ôla daôly ze nandosa tragno, rahalà, anabavy, ray, reny, zanaka, na tany, noho ny agnarako, de handray avo zato heny ary handova fiaignana mandrakizay. 30Fa maro reo ze volôny ho lasana farany, ary ny farany ho volôny.
Chapter 20

1Fa ny fanjakan'ny lagnitra de salan'ny tompon-tany ze nande ampôlakeka be hagnarama mpiasa ho an'ny tanim-bôlobony.2 Rafa avy nifagnaraka tam'reo mpiasa izy fa ho denaria raika isan'andro ny karaman-jareo, de nalefany taigny amin'ny tanim-bôlobony zareo.3Nivôka dre izy tamin'ny ora fahatelo ary natazagna mpiasa hafa nitsangatsangana takao an-tsena. 4Ozy tamin-jareo hoe: "Anareo kô, mandiana ankaigny amin'ny tanim-bôloboka, ary ze an-keviny marina de ameko an'nareo". Ka nande niasa zareo.5Mbôla nivôka ndre izy teo ho eo amin'ny ora fahaenina ary kô tamin'ny ora fahasivy, ary nagnano ôtran'zany fôgna. 6Tamin'ny ora faharaikambefolo de nivôka ndraika kô izy ary natazagna mpiasa hafa nitsangatsangana. Ozy izy tamin-jareo hoe: "Magnino anareo no mitsangana aketo magnalin'andro?" 7Ozy zareo tamin'azy hoe: "Tsisy ôla magnarama zahay." Ozy tamin-jareo hoe: "Anareo iany kô mandiana aigny amin'ny tanim-bôloboka."8Rafa tonga ny hariva, de niteny tamin'ny mpitandrin-draharahany le tômpon'le tanim-bôloboka hoe: "Antsovo reo mpiasa ary aloavo ny karaman-jareo, manomboka avy aigny amin'ny farany mankaigny amin'ny vôlôny."9 Rafa tonga reo mpiasa ze nalaina tamin'ny ora faha raikambefolo, de nahazo denaria raika isanisany avy zareo. 10Rafa tonga reo mpiasa vôlôny, de nagnantegna fa ahazo mohôtra zareo, kanefa zareo iany kô de nahazo denaria raika isanisany avy.11Rafa nahazo ny karamany zareo, de nitaraigna momba anle tômpon-tany zareo.12 Ozy zareo hoe: "Reo mpiasa farany de niasa adiny raika fôgna, nefa nampitovizinao taminay zareo, zahay ze tegna niasa mafy nagnalin'andro sy niharitra haign'andro. "13Fa namaly le tômpon-tany ka nitare tamin'ny raika tamin-jareo hoe: "Ranamana, tsy magnano ra tsy manjary aminao za. Tsy denaria raika ma no nifagnaranao taminà?14 Raiso ze an'nao ary mandiana mande. Za de nifidy ny hagnome ho an'reo mpiasa nokaramaina farany ôtran'nao kô.15Tsy manan-jo hagnano araka ze teko amin'ny ze anà ma za? Se mialona ma anareo satria malala-tagnana za? 16Ka ny farany de ho vôlôny, ary ny vôlôny ho farany." [Fanamarihana: Ny dikan-teny talô tsara ndrindra de mangala ny hoe: "Maro no nantsoina fa vitsy ny vôfidy."]17Raha hande ho aigny Jerosalema Jesosy, de niaka reo rômbefolo takeo agnilany Izy, ary taigny an-dalana Izy nitare tamin-jareo hoe: 18"Indro, hiakatra ho aigny Jerosalema tsikana, ary ny Zanak'Ôla de hatolotra akeo amin'ny lôhan'ny mpisorogna sy reo mpagnora-dalàna. Zareo de hagnameloka an'Azy ho faty 19ary hanolotra an'Azy am'reo Jentilisa mbô himehezana, ho karavasina, ary hagnombôna an'Azy amin'ny hazofijaliana. Fa amin'ny andro fahatelo de hatsangana ndre Izy."20Avy akeo ny renin'reo zanaka lan'i Zebedio nagnantona an'i Jesosy niaraka tam'reo zanany. Niankohoka takeo agnatrehany izy ary nangataka ra avy tamin'Azy. 21Ozy Jesosy tamin'azy hoe: "Ino irinao?" Ozy tamin'Azy hoe: "Mandidia mbô hioetrahan'reto zanako rô là reto, ny raika akeo an-tagnanao ankavagnana ary ny raika akeo an-tagnanao ankave, akao amin'ny fanjakanao."22Fa Jesosy namaly ary nitare hoe: "Tsy fantatrareo ny ra angatanareo. Afaka hisotro ny kapôka ze ho sotroko ma anareo?" Namaly zareo hoe: "Afaka zahay." 23Ozy tamin-jareo hoe: "Hisotro ny kapôkako tokôtra anareo. Fa ny hipetraka akeo an-tagnanko ankavanako sy ankaveko de tsy anjarako ny magnome an'zany, fa an'reo ze efa nomen'ny Raiko." 24Rafa nareigny an'zany reo mpianatra fololahy hafa, de sosy mafy tam'reo rôlà.25Fa Jesosy nagnantso an-jareo hankeo amin'Azy ary nitare hoe: "Fantatrareo fa reo mpanapak'reo Jentilisa de hangeja an-jareo, ary reo leilà manan-danjan-jareo de hagnapatra ny faefany akeo amin-jareo. 26Fa tsy tokony ôtran'zany ny aminareo. Mifanohitra am'zany, n'iza n'iza magniry ny ho lehibe aminareo de tsy maintsy ho mpanomponareo,27 ary n'iza n'iza magniry ho lasa vôlôny akeo aminareo de tsy maintsy ho mpanomponareo,28 salan'ny Zanak'Ôla tsy tonga ho tompôna, fa hagnompo, ary hagnome ny aigany mbô ho vidim-pagnavotana ho an'ny daôly."29Raha nivôka avy aigny Jeriko zareo, de vahôka betsaka no nanaraka an'Azy. 30Nisy lehilà jamba rôy nipetraka takeo amoron-dàlana. Rafa naregny fa nandalo Jesosy, de niaika mafy zareo hoe: "Tompo, Zanak'i Davida, mamindrà fo aminay." 31Nibedy an-jareo reo vahôka, niteny an-jareo mbô hangina, kanefa vô mainka zareo niaikaika mafibe hoe: "Tompo, Zanak'i Davida, mamindrà fo aminay."32Avy akeo Jesosy nijanona ary nagnantso an-jareo sady nitare hoe: "Ino no irinareo ho ataoko aminareo?" 33Ozy zareo tamin'Azy hoe: "Tompo, mbô ahiratan'ny masonay." 34Avy akeo Jesosy, nangoraka, ka nikitika ny mason-jareo. Avy hatarigny de natazagna zareo ary nagnaraka an'Azy.
Chapter 21

1Raha nagnatogna an'i Jerosalema Jesosy sy ny mpianany ka nakao Betifaga, aigny an-tanetin'i Oliva, de nandefa mpianatra rôy Jesosy, 2nilaza tamin-jareo hoe: "Mandeana akao am'ze tanana magnaraka akao, akeo iany anareo de hatazana boriky mifatotra ary ny zana-boriky raika miaraka am'azy. Vahao jareo ary ndeso aty Amina. 3Raha misy mitare an'nareo momba an-zany, de lazao hoe: 'Misy ilan'ny Tompo an'azy reo, ary akeo no eo zany ôla zany de handefa an'azy reo miaraka aminareo."4Ary nitranga zany mba hatanteraka ze nambara tamin'ny alalan'ny mpaminany. Ozy Izy hoe: 5"Ilazao ny zanaka vavin'i Ziona hoe:' Indro, ny Mpanjakanao magnatona an'nao, Magnetry tegna ary mitaingina boriky- zana-boriky làhy.'"6Avy teo de lasana reo mpianatra ary nagnano arak'ze nandidin'i Jesosy an'azy reo. 7Noentin-jareo le ampondra sy le zana-boriky ary nametraka ny lamban-jareo teo amin'azy, ka nipetraka teo amin'ny lamba Jesosy?. 8Ny ankamaron'ny vahôka de namelatra ny lambany tamin'ny tany, ary reo hafa nanapaka sampan-kazo ary nagnaparitaka an'zany tamin'ny lalana.9Avy teo reo vahôka nialô an'i Jesosy sy reo ze nagnaraka an'Azy nitabataba hoe: "Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana le tonga avy amin'ny agnaran'ny Tompo! Hosana akaigny amin'ny avo indrindra! 10Rafa niditra tao Jerosalema Jesosy, de niaika ny iray tanàna ka nagnano hoe: "Iza ma io?" 11Ny vahôka namaly hoe: "Izy no Jesosy le mpaminany avy aigny Nazareta aigny Galilia."12Avy teo niditra tao an-tempoly Jesosy. Noroasiny daôly reo mpividy sy mpivarotra takao an-tempoly, ary naongany ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny fipetran'ireo mpivarotra voromelala.13 Ozy Izy tamin-jareo hoe: "Efa vôsoratra hoe: 'Ny tranoko de antsovina hoe tragno fivavahana, kanefa ataonareo efitra fisitrin'ny jiolàhy." 14Nony avy teo de nisy jamba sy mandringa nagnatogna an'Azy takao an-tempoly, ka nositragniny zareo.15Fa nony natazagna ny ra-mahagaga nataony ny leiben'ny mpisorogna sy ny mpanora-dalàna, ary rafa reignin-jareo ny zaza madinika nidomaresy tao an-tempoly hoe: "Hosana ho an'ny zanak'i Davida," de sosy mafy zareo; 16Ozy zareo tamin'azy hoe: "Reigninareo va zany lazain'reo ôla reo zany?" Namaly an'azy reo Jesosy hoe: "Iôny! Fa tsy mbôla novakinareo miitsy ma ny hoe: 'Avy amin'ny vavan'ny zaza madinika sy ny zaza minono no nandavorarianareo ny fiderana?" 17Avy teo de nandao an'azy reo Jesosy ka nande taigny amin'ny tanànan'ny Betania ary nipetraka tao ny alina.18Ary nony ampôlakeka raha niverigna taigny an-tanàna Izy, de nôna. 19Natazana aviavy taigny an-tsisin-dalana, de nagnatogna tegny Izy ary tsy natazagna na ino na ino takeo afa-tsy ny raviny. Ozy Izy tamin'azy hoe:"Ôka tsy hisy vô ntsony avy aminao mandrakizay, ary niaraka tam'zay de maigna le aviavy.20Rafa natazagna an'zany reo mpianatra, de gaga zareo ary nitare hoe: "Ahôna no nahamaigna avy atraigny ty aviavy ity?"21 N amaly Jesosy ary nilaza an'azy reo hoe: 'Lazaiko marina aminareo, manam-pinôna sy tsy misy fisalasalana nareo, de tsy ze natao tamin'io aviavy io fôgna no hataonareo, fa de hitare amin'ty tanety ty aza hoe: 'miongota ary milatsa aigny an-dranomasina', de ho atao zany. 22N'ino n'ino angatanareo am-bavaka, am-pinôna, de ho azonareo.23Nony niditra tao amin'ny tempoly Jesosy de nagnatogna an'Azy ny leiben'ny mpisorona sy ny zokiola raha nampianatra Izy ary nitare hoe: "Faefana avy aiza ma no agnaovanao an'ireigny ra reigny, ary iza no nagnome an'nao zany fahefana zany?" 24Namaly Jesosy ary nitare tamin-jareo hoe: "Hametrako fanontanina raika fôgna kô anareo. Raha lazainareo Amina, de holazaiko aminareo ny fahefana anaovako an'ireigny ra reigny.25Ny Batsian'i Jaona - avy taiza no niaveny? Avy taigny an-dagnitra sa avy tamin' ôlombelona?" Niady hevitra zareo, nagnano hoe: "Raha miatre tsika hoe, Avy taigny an-dagnitra, de Izy hitare am-tsika hoe: 'Fa magnino zany anareo no tsy nino an'azy?26 Fa raha mitare tsika hoe: 'avy tamin' ôlombelona', matatra ny vaôka tsika, satria izy daôly de mievitra an'i Jaona ôtran'ny mpaminany." Ka namaly an'i Jesosy zareo ka nitare hoe: "Tsy fantatray." 27Ary ozy fôgna kô Izy tamin-jareo hoe: "Ary Za kô de tsy hilaza aminareo hoe avy akaiza ny fahefana agnôvako ireigny ra reigny.28Fa manakôry ny hevitrareo? Nisy leila raika nagnana zanaka leila rôy. Nande nankaigny am'le vôlony izy ary nagnano hoe: 'Anaka, mandiana miasa aigny amin'ny tanim-bôloboka gniany.' 29Le zanany leila namaly an'azy hoe: "Tsy ho aigny za," nefa avy teo niova hevitra izy de lasana. 30Avy teo de nankeigny am'le faharô izy ary nitare ôtran'zany fôgna kô. Namaly izy ka nitare hoe: "Ho aigny za tompoko, nefa tsy nankaigny izy.31Iza tamin'ireo zanagny roey reo no nagnano ny sitrapon'ny rainy?" Ary ozy zareo hoe: "Le vôlôny." Jesosy nitare an'azy reo: "Lazaiko marina aminareo, reo mpamory hetra sy reo mpivaro-tegna de hiditra ny Fanjakan'Andriamanitra alohanareo. 32Fa Jaona nagnatogna anareo tamin'ny fahamarinana, fa tsy nino an'azy anareo. Fa reo mpamory hetra sy mpivaro-tegna no nino an'azy. Fa nareo, na de natazagna an'zany aza, de tsy nibebaka sy tsy nino.33Tandrineso ty fanoharana raika ty. Nisy leila raika,tompon-tany. Nagnano tanimbôloboka izy, nobakôny zany, nandavahany famiazana tao agnatiny, nananganany tilikambo, ary nampanofainy tam'reo mpamboly vôloboka. Avy teo de nankaigny amin'ny tanàna hafa izy. 34Nony nagnakeiky ny taom-pavokarana, de nagniraka ny sasagny tam'reo mpanompo izy ho aigny am'reo mpamboly vôloboka haka ny anjara vokatra.35Fa nosamborin'reo mpamboly vôloboka reo mpanompony, notarôny ny raika, novonoiny ny hafa, de mbôla notorahana vato ny hafa. 36Ary mbôla, nandefa mpanompo hafa ndre le tompo-tany, maro no ny tamin'ny vôloany, fa nataon-jareo salan'zany iany kô.37 Tafaran'zany, de nagniraka ny zanany lahitokana taigny am'reo ny tompon-tany,nilaza hoe: 'Hagnaja ny zanako zareo.'38Fa rafa natazagna le zanaka là reo mpamboly vôloboka, de nikoragna zareo hoe: 'Ty no mpandova. Andao, hovonotsika izy ary alaintsika ny lova.' 39No zany de nosamborin-jareo izy,natsipy tao agnatin'ny tanim-bôloboka ary novonoina.40Ary rafa tonga ny tompon'ny tanim-bôloboka, ino no ho ataony am'reo mpamboly vôloboka," 41Ozy zareo tamin'azy hoe: "Ho arigana amin'ze fômba mafy miitsy reo ôlon-doza, ary avy akeo hampanofainy am'reo mpamboly vôloboka hafa ny tanim-bôloboka, ôla hagnome an'azy ny anjara voliny amin'ny fotôm-pavokarana."42Jesosy nitare tamin-jareo hoe: Tsy mbola namaky ny soratra Masina miitsy ma anareo hoe: 'Ny vato nolavin'ny mpagnano tragno no natao vato fehizoro. Avy tamin'ny Tompo zany, ary mahagaga akeo amasontsika'?43No zany lazaiko aminareo, alàna aminareo ny fanjakan'Andriamnitra ary hamena ny firenena ze mamokatra reo vôny. 44Na iza na aiza ho lavon'io vato io de ho potipotika. Fa ze hilatsany kosa de ho torotoro.45Rafa nareigny reo fagnoharana reo ny leiben'ny mpisorogna sy ny reo Fariseo, de azon-jareo fa makasika an-jareo ny ra nikoragniny. 46Nikasa ny hisambotra an'Azy, saingy natatra ny vahôka zareo, satria nataon'ny ôla ho mpaminagny Izy.
Chapter 22

1Netare tamin'ny fagnoharana tamin'jareo ndray Jesosy, nagnano hoe: 2"Ny fanjakan'ny Lagnitra de mitovy amin'ny mpanjaka ze nagnomagna fagnasana amin'ny fampakaram-bady ho an'ny zanagny là. 3Nagniraka reo mpanompony agnatso reo ze nahazo fagnasana hagnatrika ny lanonam-pampakaram-bady izy,fa tsy nety ho avy zareo.4Nandefa reo mpanompony hafa ndray ny mpanjaka, magnano hoe: Ilazao reo ze nasaina hoe: "Tazagno, efa nokarakaraiko ny sakafoko. Efa novonoko ny aomby sy ny zanak'omby nafako, ary efa vonona ny ra-daôly. Tongava akao amin'ny lanonam-pampakaram-bady."5Saingy tsy naôny zareo ary lasa nande, ny raika namonjy ny tahiriny, ny hafa tamin'ny asa fivarotana. 6Reo sasagny nisambotra reo mpanompon'ny mpanjaka, nagnala baraka an'azy reo, ary namono an'azy reo. 7 Sosy ny mpanjaka ka nagniraka reo miaramilany, ary namono mpamono ôla reo zareo, ary nandoro ny tanànany.8Avy akeo nitare tamin'reo mpanompony izy hoe: 'Efa vonona ny fampakaram-bady, fa reo ze nasaina no tsy mendrika. 9No zany mandana eigny sampagnan-dalambe ary magnatsova ôla betsaka araka ze tazagnareo ho akao amin'ny lanonam-pampakaram-bady.' 10Nande nivôka taigny amin'ny lalam-be reo mpanompo ary nanambatra ny ôla daôly ze tazan'jareo, na ny tsara na ny ratsy. No zany de feno vahiny le efi-tragno geda nisy ny fampakaram-bady.11Fa rafa niditra ny mpanjaka mba hijery reo vahiny, de natazagna leila tsy nitafy akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady izy. 12Niteny taminy ny mpanjaka hoe: 'Ry sakaiza, ahôna no idiranao ato tsy miaraka amin'ny fitafy fitondra amin'ny fampakaram-bady?' Fa tsy nahateny le leila.13Avy akeo niteny tamin'reo mpanompony ny mpanjaka hoe: 'Fehezo ny tagnany sy ny tongotr'ity leila ty, ary atsipazo aigny amin'ny maizina aigny ivelany izy, aigny no misy fitomaniana sy fikotriha-nify.' 14Fa ôla betsaka nantsoina, nefa vitsy no ho voafidy.15Avy akeo nande reo Fariseo ary nagnomagna ny fomba mety hamandrina an'i Jesosy amin'ze noteneniny. 16Avy akeo niran'izy reo ankaigny Aminy reo mpianatr'izy reo, niaraka tamin'reo Herodiana. Niteny tamin'i Jesosy zareo hoe: "Ry mpampianatra, fantatray fa marina Enao, ary mampianatra ny lalan'Andriamanitra amin'ny marina. Tsy miraraha ny hevitry ny hafa Enao, ary tsy mijery vilagna. 17No zany lazao aminay, ino ny hevitrao? Ara-dalàna ma ny fandoavan-ketra aigny amin'i Kaisara sa tsia?"18Nefa azon'i Jesosy ny faratsen'reo ka nitare hoe: "Naôgna no mitsapa Anà nareo, ry mpetsaravelatsy? 19Atoroy Anà ny farantsa amin'ny hetra." Avy akeo nitondra denaria takeo aminy zareo.20Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "An'iza ty sary sy agnarana ty?" 21Nitare taminy zareo hoe: "An'i Kaisara." Avy akeo Jesosy nitare an'azy reo hoe: "Omeo an'i Kaisara reo ze an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra reo ze an'Andriamanitra." 22Rafa nareigny zany zareo, de gaga. Ary niala takeo Aminy zareo ka nande.23Tamin-zay andro zay iany ny Sadoseo sasagny, reo ze nilaza fa tsisy fitsanganana amin'ny maty, nagnatona an'Azy. Nagnotany an'Azy izy reo,24 nagnano hoe: "Ry mpampianatra, Mosesy nitare hoe: 'Raha maty ny ôla, tsy manan-janaka, de tokony hanambady ny vadiny ny ralàny ary hanan-janaka ho an'ny ralàny.25Nisy mpiralà fito. Nanambady ny vôlôny ary maty avy akeo. Lasa tsy namela zanaka, navelany ho an'ny ralàny ny vadiny.26 Avy akeo nagnano ra mitovy amin'zay ny farôy, avy akeo ny fatelo, ôtran-zany fôgna hatrany amin'le ralàny fafito. 27Tafaran'izy daôly reo, de maty le vevavy. 28Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'ze amin'reo mpiralà fito izy? Fa efa nanambady an'azy izy daôly reo."29Fa namaly Jesosy ary nitare an'azy reo hoe: "Diso nareo, satria tsy mafantatra ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. 30Fa amin'ny fitsanganan'ny maty de sady tsy hanambady izy reo no tsy amena ampakarina. Fa kosa, sahala amin'reo anjely aigny an-dagnitra.31Fa makasika ny fitsanganan'ny maty, mbola tsy novakinareo ma ze nolazain'Andriamanitra taminareo, magnano hoe: 32'Za no Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba'? Andriamanitra de tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona.' 33Rafa nareigny zany reo vahôka, de gaga tamin'ny fampenarany.34Fa rafa reign'reo Fariseo ny nampanginan'i Jesosy ny Sadoseo, de niara-nivondrony zareo. 35Ny raika tamin'jareo, mpahay lalàna nametra-panontanina taminy, naka fagna an'Azy hoe: 36"Ry mpampianatra, iza no le geda indrindra amin'ny didy akao amin'ny lalàna?'37Nitare tamin'azy Jesosy hoe: "Tiavo amin'ny fonareo daôly, amin'ny fagnanareo daôly, ary amin'ny sainareo daôly ny Tompo Andriamanitrareo." 38Zany no didy gedabe sy vôlôny.39Ary ny didy faroey de salan-zany iany: "Tiavo ny mpiara-belona aminareo ôtran'ny tegnanareo.' 40Amin-reo didy ro reo no iankinan'ny lalàna magnontolo sy reo mpaminagny."41Ary raha mbola niara-nivondrogna reo Fariseo, de nametra-pagnontanena an'azy reo Jesosy. 42Ozy Izy hoe: "Ino no eritreritrareo momban'i Kristy? Zanaka làn'iza Izy?" Nitare taminy reo hoe: "zanak'i Davida."43Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Nagnino ary Davida mipetra akao amin'ny Fagna no magnantso an'Azy hoe Tompo, magnano hoe: 44'Ny Tompo nitare tamin'ny Tompoko hoe:' Mipetra akeo amin'ny tagnan'ankavanako, mandra-pagnôko ny favalonao ho fipetran-tongotrao?'45Raha Davida aza magnantso an'i Kristy hoe: 'Tompo,' de ino no ma-zanak'i Davida an'Azy? 46Tsisy navaly an'Azy tamin'ny teny, ary tsisy ôla sahy nametra-pagnontanena hafa tsony nanomboko tamin'zany andro zany.
Chapter 23

1Ary Jesosy nitare tam'reo vahôka sy reo mpianany.2 Ozy hoe: "Reo mpagnora-dalàna sy fariseo de mipetraka akeo amin'ny fitôran'i Mosesy."3 Noho zany n'ino n'ino handidin-jareo ataonareo, de ataovo regny ra regny ka mitandrema an-jareo. Fa aza raisina ôtran'ny asan-jareo, satria zareo miteny ra nefa avy akeo tsy magnano an'zany.4Iôny, fehezin-jareo ny entana mavesatra ze sarotra entina, ary avy akeo ataon-jareo an-tsoroky ny ôla. Fa tsy hampiasa ny rantsan-tagnany raika avy ny tegnan-jareo mbô hitondrana an'jareo. 5Magnano ny asany daôly zareo mbô ho tazagn'ôla. Fa ataon-jareo geda ny filakiterany, ary itarin-jareo ny moron'akanjony.6Tenjareo ny tôran'ny manan-kaja aigny amin'ny fanasana sy ny tôran'ny lehibe akao amin'ny synagoga,7 sy ny arabaina manokana akaigny an-tsena, ary mbô hantsovin'ôla hoe: "Raby".8Fa anareo tsy azo antsovina hoe: "Raby", fa tokana fôgna ny mpampianatra an'nareo, ary mpirahalahy anareo daôly. 9Ary aza magnantso ny ôla aty ambonin'ny tany ho rainareo, fa tokana fôgna ny Rainareo, ary Izy de aigny an-dagnitra. 10Anareo aza mety antsovina hoe: "Mpampianatra", fa raika fôgna ny mpampianatrareo, de i Kristy.11Fa ze geda ndrindra aminareo no ho mpanomponareo. 12N'iza n'iza manandra-tegna de ahetry, ary n'iza n'iza manetry tena de hasandratra.13Fa lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa arindrignareo amin'ôla ny fanjakan'ny lagnitra. Fa anareo tsy miditra akao, ary tsy avelanareo reo ze te hiditra akao. 14[Fanamarihana: Ny antontan-taratasy talô de tsy ahitana ny fehezan-teny hoe: "Fa lozanareo, ry mpanoradàlana sy ny fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa mandany ny tranon'ny mpitondra tena, ary magnano vavaka lavareny anareo. Noho zany de hahazo fanamelohana gedabe anareo."] 15Lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa mande mitety ny ranomasina sy ny tany anareo mbô hampiova fo ny ôla raika, ary rafa miova izy, de ataonareo zanaky ny helo avo roa heny mihôtra noho anareo izy.16Lozanareo, ry mpitarika jamba, anareo ze milaza hoe: "N'iza n'iza mianiana amin'ny tempoly, de tsisy varany zany. Fa n'iza n'iza mianiana amin'ny volamenan'ny tempoly, de voafatotry ny fianianany izy." 17Anareo ry jamba adala! Iza ma no geda, ny volamena se ny tempoly ze magnano ny volamena ho masina?18Ary, "N'iza n'iza mianiana amin'ny alitara, de tsisy varany. Fa n'iza n'iza mianiana amin'ny fanatitra ze akeo ambonin'zany, de vôfatotry ny fianianany izy." 19Anareo ry ôla jamba! Iza ma no geda, ny fanatitra se ny alitara ze magnano ny fanatitra ho masina?20Noho zany, ze mianiana amin'ny alitara de mianiana am'zany sy amin'ny ra daôly akeo amboniny.21 Ny raika ze mianiana amin'ny tempoly, de mianiana am'zany sy am'ze mipetraka akao amin'azy, 22ary ny raika ze mianiana amin'ny lagnitra, de mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy amin'ny ze mipetraka akeo ambonin'zany.23Lozanareo, ry mpanora-dàlana sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komima anareo, fa anareo de tsy nankatoa ny ra tegna mavesa-danja ndrindra amin'ny lalàna - de ny rariny sy ny famindram-po ary finoana. Fa reo no tokony nataonareo ary tsy tokony navelanareo ho tsy vita ny raika hafa. 24Anareo ry mpitarika jamba, anareo ze manivana ny lalitra nefa miteligna rameva!25Loza ho an'nareo, ry mpanora-dàlana sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan'ny kapôka sy ny vilé, nefa ny akao agnatiny de feno fitsiriritana sy filana.26 Anareo ry fariseo jamba! Diovy alô ny akao agnatin'ny kapôka sy ny vilé, mbô ho lasa madio iany kô ny ivelany.27Loza ho an'nareo, ry mpanora-dàlana sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa anareo de ôtran'ny fasagna vôlalotra fotsy; ze tsara ivelzgny, fa ny akao agnatiny kosa de feno ny tôlam-paty sy ny loto daôly. 28Ôtran'zany iany kô, ety ivelagny anareo miseho ho marina akeo amin'ny olona, nefa ny akao agnatinareo de feno fiatsarambelatsihy sy heloka.29Loza ho an'nareo, ry mpanora-dàlana sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa magnambôtra ny fasan'ny mpaminagny anareo ary mampijaingo ny fasan'ny ôlo-marina. 30Ozy anareo hoe: "Raha niaina tamin'ny andron'ny razambetsika tsikana, de tsy ho nandray anjara niaraka tamin-jareo tamin'ny fandatsahana ny ràn'ny mpaminagny tsikana.31 Noho zany de mijoro vavolombelona amin'ny tenanareo anareo fa zanak'reo ze namono ny mpaminagny.32Anareo iany kô de nahafeno ny fahotan'reo razambenareo.33 Anareo ry bibilava, anareo ry taranaky ny menarana, manakôry ma no handosiranareo ny fanamelohana ho any amin'ny helo?34Noho zany, indro, maniraka mpaminagny sy ôlo-kendry ary mpanora-dalàna ho an'nareo Za. Ny sasagny amin-jareo de ho vononareo, sy hombonareo; ary ny sasagny ho tarônareo akao amin'ny synagoganareo ary handrôka an'azy hiala akao an-tanàna.35 Ny vokatr'zany de hanody an'nareo ny rà marina daôly ze nalatsaka taketo an-tany, nanomboka tamin'ny ràn'i Abela marina, ka hatramin'ny ràn'i Zakaria zanak'i Barakia, ze novononareo takeo agnelagnelan'ny fitôrana masina sy ny Alitara.36 Lazaiko marina aminareo, fa ny ra daôly de ho tonga am'ty taranaka ty.37Ry Jerosalema, ry Jerosalema, anao ze mamono ny mpaminagny sy mitora-bato ze asaina mankao aminao! Impiry Za no magniry ny hanangona ny zanako miaraka, salan'ny reni-akoho raika magnangona ny akoho kely akao ambany embagny, nefa tsy nety anareo! 38Indro, ny tragnonareo no avela ho aolo ho an'nareo.39 Fa lazaiko aminareo, hatram'zao, tsy hahita Anà tokoa anareo mandra-pilazanareo hoe: "Isaorana anie ze avy amin'ny agnaran'ny Tompo."
Chapter 24

1Nivôka ny tempoly Jesosy ary lasa nande. Nagnatona an'Azy reo mpianagny mbô hanorona an'Azy ny rafitry ny tempoly. 2Nefa namaly Izy ary nikoragna tamin-jareo hoe: "Tsy hitanareo ma reo ra daôly reo? Lazaiko marina aminareo, tsisy vato ho tavela amin'ny raika hafa ze tsy ho ravàna.3Raha nipetraka takeo an-tendrombohitr'Oliva Izy, de nagnatona an'Azy mangingina reo mpianagny ary nitare hoe: "Lazao an'nay, rôvina reo ra daôly reo no hitranga? Ino no famantarana ny fatongavanao sy ny fara-andro? 4Namaly Jesosy ary nitare an-jareo hoe: "Mitandrema mbô tsisy hamitaka an'nareo. 5Fa ho maro no ho avy amin'ny agnarako. Ary hitare zaro hoe: 'Za no Krity,' ary maro no ho vôfitaka.6Handregny ady sy tatitr'ady anareo. Mitandrema mbô tsy hitebiteby anareo, fa tsy maintsy hitranga zany ra daôly zany; nefa tsy mbôla ho tonga ny faragny. 7Fa hisy firenena hitsangana hagnohitra firenena, ary fanjakana hagnohitra fanjakana. Hisy silaona sy horohoron-tany amin'ny tôrana samihafa. 8Nefa zany ra daôly zany de fendôhan'ny fanaintaignan'ny fitirahana fotsiny iany.9Ka ho atolotr'zareo ho amin'ny fahoriana anareo ary ho voniny. Ho halan'ny firenena daôly anareo nohon'ny agnarako. 10Ary betsaka ny ho tafitôna, ary hifamadika sy hifankahala ny tsiraikaraika. 11Mpaminagny sandoka betsaka no hitsangana ka hamitaka ôla betsaka.12Satria ny faratsena de hitombo, ary hihamangatseka ny fitiavan'ny maro. 13Fa le raika ze miharitra hatramin'ny faragny de ho vôvonjy. 14Ty filazantsaran'ny fanjakana ty de ho toriana magnerana an'zao tontolo zao ho vavolombelona amin'ny firenena daôly. Avy akeo de ho tonga ny faragny.15Noho zany, raha matazagna ny favetavetagn'ny fandravana anareo, ze nolazain'i Daniela mpaminagny, de hitsangana akeo amin'ny tôrana Masina anareo" (ôka ny mpamaky hatakatra), 16"Ôka reo ze aigny Jodia hilefa ho aigny an-tanety, 17ôka ze akao an-tampon'ny tragno tsy hidigna hiaka ra avy akao an-tragnony, 18ary ôka ze aigny an-tsaha tsy hiverigna hiaka ny lambany.19Fa loza ho an'reo bevoka sy mampinono am'zany andro zany! 20Mivavà mbô tsy ho amin'ny ririnina na amin'ny Sabata no hitranga ny fandosiranareo. 21Fa hisy fahorena gedabe, ze tsy mbôla nisy ôtran'zany hatraigny am-pendohan'zao tontolo zao mandrak'gniany, tsia, ary tsisy tsony. 22Raha tsy afoherina reo andro reo, de tsisy nofo ho vonjena. Fa nohon'ny ôlom-bôfidy, de hafoherigna reo andro reo.23Fa raha misy ôla mitare an'nareo hoe: 'Indro, ty le Kristy' na, 'iry le Kristy' de aza mino an'zany. 24Fa ny Kristy sandoka sy ny mpaminagny sandoka de ho avy ary hampibôgna famantarana gedabe sy ra mahagaga, mbô hamitaka, raha azo atao, iôny fa na reo ôlom-bôfidy aza. 25Indro, efa notaraviko an'nareo melôn'ny fotôna.26Noho zany, raha mitare an'nareo zareo hoe: 'indro, aigny agn-efitra izy," de aza mankaigny agn'efitra. Na hoe 'indro, aigny agnaty efitragno izy' de aza mino an'zany. 27Fa ôtran'ny varatra ze mitselatra avy aigny antsinanana ka mazava hatraigny andrefana, de salan'zany ny fevin'ny Zanak'Ôla. 28N'aiza n'aiza misy biby maty, de aigny no hiangonan'ny voltora.29Ary raha vô afaka ny fahorena am'reo andro reo de ho maizigna ny masoandro, tsy hagnome ny hazavagny ny volana, hilatsaka avy aigny an-dagnitra ny kintana, ary hiozongozogna ny herin'ny lagnitra.30Avy akeo de hibôgna aigny amin'ny lagnitra ny famantaran'ny Zanak'Ôla, ary ny foko daôly ambonin'ny tany hisaona. Hatazagna ny Zanak'Ôla tonga amin'ny rôndron'ny lagnitramiaraka amin'ny hery sy voninatra gedabe Zareo. 31Handefa reo anjeliny Izy miaraka amin'ny feo trompetra mafy, ary hanangona ny ôlom-bôfidiy avy aigny amin'ny vazan-tany efatra zareo, manomboka amin'ny faravodilagnitra ka hatraigny amin'ny hafa.32Menara ny lesona avy amin'ny aviavy. Raha vantany vô matoy ny sampana ary mamôka ny ravygny, de fantatrareo fa manankeky ny favaratra. 33Ôtran'zany iany kô, raha matazagna an'zany ra daôly zany anareo, de tokony ho fantatrareo f'efa ankeky Izy, akeo am'reo vavady mitsy.34Taraviko marina aminareo, fa tsy ho lany ty taranaka ty mandra-pibôgnan'zany daôly zany. 35Tsisy tsony ny lagnitra sy ny tany, fa ny teniko de tsy mbô ho levona mandrakizay.36Kanefa ny makasika an'zany andro sy ora zany de tsisy mafantatra, na ny Anjelin'ny lagnitra aza, na ny Zanaka lahy, fa ny Ray fôgna.37Ôtran'ny tamin'ny andron'ny Noa, de salan'zany fôgna kô ny fevin'ny Zanak'Ôla. 38Fa ôtran'ny tam'reo andro melôn'ny safo-dragno de nihinana sy nisotro zareo, nagnambady sy nampakarina mandra-patongan'le andro nidiran'i Noa takao agnatin'le sambo fiara, 39ary tsy nafantatra na ino na ino zareo mandra-patongan'ny safo-dragno ka mandringana an'azy daôly - de salan'zany ny fevin'ny Zanak'Ôla.40Avy akeo hisy leila rôy aigny an-tsaha - raika ho raisina, ary ny raika ho avela. 41Vevavy rôy no hitoto vary - ny raika ho raisina, ary ny raika ho raisina, ary ny raika avela. 42Noho zany de membena, fa tsy fantatrareo ze andro hevin'ny Tomponareo.43Fantatro zao, raha fantatry ny tompo-tragno hoe am'firy alina no hiaven'ny mpangalatra, de ho niambina izy ary tsy namela ny tragnony ho vaky. 44Noho zany de tsy maintsy mivonona fôgna kô anareo, fa ho avy ny Zanak'Ôla amin'ny ora tsy ampozinareo.45Ka iza ma le mpanompo matoky sy hendry ze notendren'ny tompony hanapaka ny fianakaveny mbô hagnomezana an-jareo ny sakafon-jareo amin'ny fotôna mety? 46Sambatra zany mpanompo zany ze hitan'ny Tompony fa magnano an'zany rafa tonga izy. 47Taraviko marina aminareo fa ny tompony no hanapaka an'azy ho agnambon'ny ra daôly ze anagnany.48Fa raha misy mpanompo ratsy mitare akao am-pony hoe: 'Ela fiavy ny tompoko', 49ka magnomboka mamono reo mpanompo namany, sy mihinana ary misotro miaraka am'reo mpimamo; 50de ho avy ny tompon'le mpanompo amin'ny fotôna ze tsy ampozigny ary amin'ny ora ze tsy fantany. 51De ho kapakapain'ny tompony izy ary ho ataony ôtran'ny an'reo mpiatsaravelatsy ny anjarany, ze hisy ny fitomanena sy ny fikotroha-nify.

Chapter 25

1Ny fanjakan'ny lagnitra de ho salan'ny virijiny folo ze niaka ny jirony ka nande niaogna tamin'ny mpampakatra. 2Adala ny dimy tamin'jareo fa ny dimy kosa hendry. 3Ary rafa nitondra ny jirony reo virijiny adala, de tsy nitondra solika niaraka taminy. 4Fa reo virikiny hendry kosa de nitondra fitarizan-tsolika niaraka tamin'ny jirony.5Ary raha tara ny mpampakatra, de rendremana izy daôly ka natory. 6Fa tamin'ny sasak'alina de nisy niantso mafy hoe: "Indro, ny mpampakatra! mivoà mba hiaogna amin'azy."7Avy akeo niarina reo virijiny daôly ka nikarakara ny jirony. 8Ozy reo adala tamin-reo hendry hoe: "Mba omeo ampany amin'ny solikareo zahay fa efa ho foaty ny jironay. 9Fa namaly reo hendry ka nitaré hoe: "Sao de tsy ho ampy ho anay sy ho anareo, fa madana mividiana aigny amin'ny mpivarotra ho an'ny tegnanareo."10Raha nande nividy zareo, de tonga ny mpampakatra, ary ze efa vonona de niara-nande tamin'azy ho akao amin'ny fagnasam-panambadena, ka niidy ny vavahady. 11Rafa afaka zany de tonga iany kô reo virijiny sasagny ka niteny hoe: "Tompoko, Tompoko, mba vahao zahay". 12Fa namaly izy ka niteny hoe: "Lazaiko marina aminareo, tsy mafantatra an'nareo za." 13Kô no zany membena, fa tsy fantatrareo ny andro na ny ora.14Fa zany de ôtrany ny leila raika ze nande ho aigny amin'ny firenen-kafa. Nagnantso ny mpanompony izy ka nampitantana an'azy reo ny hareny. 15Ny raika tamin-jareo nomeny talenta dimy, ny raika hafa nameny roey, ary ny raika hafa kosa nameny talenta tokana. Ny tsiraikaraika de samy nandray talenta araka ze fahaizany avy, ary nande tamin'ny deiny izany leila zany. 16Ny raika ze naray talenta dimy de niainga teo no eo ka nampiasa an'azy reo ary nahazo talenta dimy hafa.17Ôtran-zany kô le raika ze naray talenta roey nahazo roey hafa. 18Fa le mpanompo tokana ze naray talenta raika kosa, nandeha ka niady tamin'ny tany, ary nandevigna ny volan'ny tompony.19Ary tafaran'ny fotôgna ela de niverigna ny tompon-reo mpanompo reo ary nandamin-tabà tamin-jareo. 20Niditra le mpanompo ze naray talenta dimy no sady nitondra talenta dimy hafa. Ozy izy hoe: "Tompoko, namenao talenta dimy hafa za. Indro, nanatombo talenta dimy hafa za." 21Ozy ny tompony taminy hoe: "Tsara zany, ry mpanompo tsara sady matoky! Natoky tamin-ra vitsivitsy enao. Za hampendraikitra an'nao amin'ny ra betsaka. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao."22Le mpanompo ze naray talenta roey de nagnatona sy nitare hoe: "Tompoko, namenao talenta roey za, indro, nagnatombo talenta roey hafa za." 23Nitare an'azy ny tompony hoe: "Tsara zany, mpanompo tsara sady matoky! Natoky tamin'ny ra vitsivitsy enao. Za hampendraikitra an'anao amin'ny ra betsaka. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao."24Avy akeo le mpanompo ze naray talenta tokana nagnatogna no sady niteny heo: "Tompoko, fantatro fa leila hentitra enao. Mandidy aigny amin-ze tsy namafazanao enao, no sady magnangom-bokatra aigny amin-ze tsy nambolenao. 25Natatra za, ka nande ary nanitrika ny talentanao takao agnaty tany: Jereo, indro ze an'nao."26Ary namaly an'azy ny tompony ka nagnano tamin'azy hoe: "Enao ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa za de mandidy akaigny amin-ze tsy namafazako sy magnangom-bokatra akaigny amin-ze tsy namboleko. 27No zany de tokony namenao ny mpanjana-bola ny volako ka rafa niverigna za de nandray ny anà miaraka amin'ny tombony.28No zany alaivo aigny amin'azy ny talenta ary ameo ho an-le mpanompo ze managna talenta folo izany. 29Fa ze daôly managna de amena betsaka mihôtra lavitra aza. Fa ho an'reo ze tsy managna na ino na ino kosa, na ze hanagnany aza de alàna amin'azy. 30Ario aigny amin'ny maizina aigny ambelagny ny mpanompo tsy mendrika, aigny no misy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.31Ka rafa tonga amin'ny voninahiny ny Zanak'Ôla sy ny anjely daôly miaraka Aminy, de hipetraka akeo amin'ny seza fendrihanan'ny voninahiny Izy. 32Ary ny firenena daôly de hangonina akeo agnatreny, ary hagnavaka ny ôla raika amin-raika hafa Izy, salan'ny mpiambina ondry manavaka ny ondry amin'ny osy. 33Hametraka ny ondry ho akeo ankavanany izy, fa ny osy akeo ankaviany.34Ary ny mpanjaka hiteny amin-reo ze akeo an-tagnana ankavanany hoe: 'Ave, anareo ze notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana ze efa vôhomagna ho an'nareo hatrizay nagnorenana an-zao tontolo zao. 35Fa nôgna Za de namenareo hanina; nangetaheta Za de namenareo ho sotroina; nivainy Za de nampandrosoinareo; 36niboridagna Za de nampitafinareo; narary Za nokarakarainareo; ary taigny am-ponja Za de nakany Aminà nareo.'37Ary reo marina de hamaly sy hiteny hoe: 'Tompo, ovena zahay no nahita Anao nôgna ka namahana Anao? Nangetaeta ka nampisotroinay? 38Ovena Enao no hitanay nivainy ka nampandrosoinay? Na niboridagna ka nampitafianay? 39Ovena zahay no nahita Anao narary na taigy am-ponja ka nakaigny aminao? 40Ary ny Mpanjaka namaly ka niteny an'azy reo hoe: 'Lazaiko marina aminareo, ze nataonareo tamin-reny rahalako kely indrindra ireny, de natanonareo taminà.'41Ary izy hilaza amin-reo ze akeo ankaviany hoe: 'Mialà aminà, Nareo ze vôhozogna, ho aigny amin'ny afo mirehitra mandrakizay ze efa vôhomagna hoan'ny devoly sy reo anjeliny, 42satria nôgna Za, fa tsy namenareo sakafo; nangetaeta Za, fa tsy namenareo hosotroina; 43nivahiny Za, fa tsy nampandrosoinareo; niboridagna Za, nefa tsy nampitafinareo; narary sy tao am-ponja Za, fa tsy nokarakarainareo.'44Ary de hamaly kô izy reo ka hiteny hoe: 'Tompo! Ovena zahay no naita Anao nôgna, na nangetaeta, na nivahiny, na niboridagna, na narary, na taigny am-ponja, ka tsy nanompo Anao? 45Ary Izy hamaly an'azy reo ka hiteny hoe: 'Lazaiko marina aminareo, fa ze tsy nataonareo tamin'ny raika tamin-reo madinika reo, de tsy nataonareo taminà.' 46Reo de halefa ho akao amin'ny fagnasazina mandakizay fa reo marina kosa akao amin'ny fiaignana mandrakizay."
Chapter 26

1Rafa vitan'i Jesosy zany teny daôly zany, de nitare tamin-reo mpianagny Izy hoe: 2"Fantatrareo fa afaka ro andro de ho tonga ny Paska, ary hatolotra hombogna amin'ny hazofijaligna ny Zanak'Ôla."3Avy akeo ny leiben'ny mpisorogna sy ny loholona niara-nivory takao amin'ny lapan'ny mpisorogna-be, ze nantsovina hoe Kaiafa. 4Niara-nagnano tetika izy reo mba hisamboragna mangigna an'i Jesosy ary hamono an'Azy. 5Fa ozy izy reo hoe: "Tsy amin'ny fety, mba tsy hisian'ny korontagna akeo amin'ny ôla."6Ary Jesosy rafa takao Betania akao an-tranon'i Simona boka, 7raha nipetraka nignana takeo amin'ny latabatra, de nisy vevavy raika nagnana tavoara alabastara feno menaka lafo vidy nagnatogna an'Azy, de nagnidigna izany tamin'ny lôny. 8Fa rafa hitan-reo mpianagny zany, de tezitra izy reo ka nagnano hoe: "Ino no anton-zao fandaniana zao? 9Afaka namidy lafo ary nomegna reo mahantra io."10Fa Jesosy, nafantatra izany, ary nitare an'azy reo hoe: "Naôgna nareo no magnahiran-tsaigna an-dravevavy? Fa ra tsara no natôgny taminà. 11Akeo aminareo mandrakariva ny mahantra, fa Za de tsy ho akeo aminareo mandrakariva.12Fa rafa nagnidigna izany menaka manitra zany tamin'ny vatako izy, de natôgny ho an'ny fandevegnana Ana zany. 13Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitorina ny filazantsara aketo am-zao tontolo zao, ze natôgn'ity vevavy ty de ho lazaina iany kô ho fatserovagna an'azy."14Avy akeo ny raika tam-reo rombefolo, ze nantsovigna hoe Jodasy Iskariota, nankegny amin'ny leiben'ny mpisorogna 15ary nagnano hoe: "Omenareo ôtrin za hagnolorako an'Azy aminareo?" Nandanja volafotsy madinika telopolo izy reo ho an'azy. 16Tam-zany fotôgna zany de nikaraka fahafana izy mba hagnolorana an'Azy amin'izy reo.17Tamin'ny andro vôlôn'ny mofo tsisy lalivay de nagnatogna an'i Jesosy reo mpianatra ka nitare hoe: "Aiza no tegnao hagnomagnanay ho anao hinanana ny sakafon'ny paska?" 18Namaly Izy hoe: "Midira akao an-tanàna misy leila raika ary lazao izy hoe: 'Ozy ny Mpampianatra hoe: "Efa ankeky ny fotôgnako. Akato an-tranonao Za no hagnano ny paska miaraka am-reo mpianatro." 19Natôgn-reo mpianatra araka ze nandidin'i Jesosy zany, ary nagnomana ny sakafon'ny paska izy reo.20Refa tongo ny hariva, de nipetraka nignana niaraka tamin'ny mpianatra rombefolo Izy. 21Rafa nignana izy reo, de ozy Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo fa ny raika am-nareo hamadika an'Ana." 22Nalaelo zareo ary nanomboka nagnontany an'Azy ny tsirairay hoe: "Tsy mba zà miitsy ry Tompo?"23Namaly Izy hoe: "Ze niara-nagnatsoboka ny tagnany taminà takao agnaty vily no le raika hamadika an'Anà. 24Hande ny Zanak'Ôla, araka ze efa vôsoratra momba an'Azy. Nefa lozan'ny ôla ze hamadika ny Zanak'Ôla! Tsara am-zany ôla zany no tsy teraka avy." 25Jodasy, ze hamadika an'Azy nitare hoe: "Za ma zany, Raby ô?" Ozy Izy taminy hoe: "Vôlazanao."26Raha mbola nignana zareo, de naka ny mofo Jesosy, ary nisôtra sy nanapaka izany. Nameny an-reo mpianatra izany ary nitare Izy hoe: "Raiso, hoano, ity ny vatako."27Nandray ny kapôka Izy ary nisôtra, ary nagnome izany an-jareo ka nitare hoe: "Anareo daôly, sotroy ty. 28Fa ity ny ràn'ny fanekem-piavanana ahidigna ho anareo daôly ho famelan-keloka. 29Fa lazaiko aminareo, fa tsy mba hisotro ny vokatry ny vôloboka intsony Za, mandra-piavin'ny fisotrôgna vaovao herako aminareo aigny amin'ny fanjakan'ny Raiko."30Rafa niraira fiderana izy reo, de nande taigny amin'ny an-tanetin'i Oliva. 31Avy akeo ozy Jesosy tamin-jareo hoe: Anareo daôly de handao Anà nony aminà gniany alina, fa vôsoratra hoe: "Hamely ny mpiandry ondry Za de hiparitaka ny ondry." 32Fa afaran'ny fitsanganako amin'ny maty, de hialô lalana anareo aigny Galilia."33Fa Petera nagnano tamin'Azy hoe: "Na de handao nony aminà aza nareo, Za tsy mba handao miintsy." 34Ozy Jesosy taminy hoe: "Laziko marigna aminao, fa gniany alina raha mbola tsy maneno ny akoho, de handà an'Anà intelo enao." 35Petera nitare taminy hoe: "Na de tsy maintsy ho fatsy miaraka aminao aza za, de tsy handà anao." Ôtran-zany avokô no lazain-reo mpianatra hafa.36Ary Jesosy nande niaraka tam-jareo nankaigny amin'ny tôrana antsovina hoe: Getsemane ary nilaza tamin'ny mpianagny hoe: "Mentôra aketo raha mbola hande ary hivavaka Za." 37Nitondra an'i Petera mbamin'ny zanak'i Zebedio roey là Izy ary nanomboka nalaelo sy ory. 38Avy akeo, ozy Izy tam-jareo hoe: "Fadiranovana ny fagnako, ôtran'ny efa ho faty. Mentôra aketo ary miambena miaraka aminà."39Niataka kely Izy, nenkoka ary nivavaka. Ozy Izy hoe: "Ry Raiko, raha azo atao, de ôka alana aminà ty kapôka ty. Nefa ôka tsy araky ny sitrapoko, fa ny sitraponao." 40 Nagnatogna an'reo mpiantra Izy ary nahita an'azy reo rekidrikena, ka ozy Izy tamin'i Petera hoe: "Nagnino nareo no tsy mavita miambina miaraka aminà na de ora raika aza? 41Miambena ary mivava mba tsy ho azon'ny fakam-pagna nareo. Mety iany ny fagna, fa ny nofo no malemy."42Mbola nande fagnindroa Izy ary nivavaka. Ozy Izy hoe: "Ry Raiko, raha tô tsy azo alana aminà ty raha tsy misotro Za, de ho atao anie ny sitraponao." 43Niverigna ndre Izy ary mbola nahita an'azy reo natory, fa navesatra ny mason-jareo. 44Ka niala an'azy reo ndre Izy, lasa ary nivavaka fagnontelony, nilaza reo teny reo iany.45Avy akeo Jesosy nagnantogna reo mpianatra ka nagnano tam-jareo hoe: "Mbola matory sy miala sasatra ma nareo? Jereo, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'Ôla de hatolotra akeo an-tanan-reo mpanota. 46Mitsangana, ande isika, jereo fa efa akaiky le hamadika Anà."47Raha mbola nitare Izy, de tonga Jodasy raika tam-reo rombefolo là. Nisy vahôka betsaka tonga niaraka taminy avy amin'ny leiben'ny mpisorogna sy reo loholona. Tonga niaraka tamin'ny hantsy be sy sabô zareo. 48Ary nagnome famantarana an'azy reo le leila hamadika an'i Jesosy, magnano hoe: "Ze horoko no Izy. Sambory Izy."49Teo no eo iany de nagnantona an'i Jesosy izy ary nitare hoe: "Finaritra, Raby ô!" Ary nanoroka an'Azy izy. 50Ozy Jesosy taminy hoe: "Ry sakaiza, atôvo ze nalehanao aketo." Avy akeo tonga izy reo ary naninjitra tagnana tamin'i Jesosy, ary nisambotra an'Azy.51Indro ny raika tam-reo niaraka tamin'i Jesosy naninjitra ny tagnany, nagnatsôka ny antsiny ary nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe, ary nahafaka ny sofiny. 52Avy akeo ozy Jesosy taminy hoe: "Averegno amin'ny tôrany ny antsinao, fa reo ze mandray antsy de vonona amin'ny antsy. 53Mieritreritra ma nareo fa tsy afaka magnantso ny Raiko Za, ary Izy de afaka mandefa no Anà tafik'anjely miôtra no ny rombefolo? 54Fa atao akôry zany no hahatanteraka ny Soratra Masina, ze milaza fa tsy maintsy hitranga izany?"55Tam-zany andro zany Jesosy nitare tamin'ny vahôka hoe: "Tonga miaraka amin'ny antsy be sy sabô hisambotra an'Anà salan'ny jiolà ma nareo? Isan'andro de nipetraka nampianatra takeo amin'ny tempoly Za, fa tsy nosamborinareo. 56Fa zany daôly zany de nibôgna mba hahatanteraka ze vôsoratr'ireo mpaminagny." Avy akeo niala an'Azy reo ny mpianatra daôly ka nilefa.57Ndesin'reo nisambotra an'Azy taigny amin'i Kaiafa mpisoronabe Jesosy, ze nivorian'ireo mpanora-dalàna sy loholona. 58Fa Petera nagnaraka an'Azy avy aigny alavitra nankaigny amin'ny kianjan'ny mpisoronabe. Niditra takao agnatiny izy ary nepetraka niaraka tam-reo mpiandry rara mba hahita ze hefarany.59Ary reo leiben'ny mpisorogna sy reo Synedriona daôly de nitsikaraka fempangana tsy marina mba handotogna an'i Jesosy, mba mety afahan-jareo momono an'Azy. 60Tsy naita na ino na ino zareo, na de nisy mpijoro vavolombelona betsaka tsy marina tonga aza takeo. Ary kelikely avy akeo de nisy roey tonga nagnantogna takeo 61ary nitare hoe: "Io leila io de nitare hoe: "Afaka mandrava ny Tempolin'Andriamanitra Za ary manangana izany ndre ao agnatiny telo andro."62Nitsangana le mpisoronabe ka nagnano taminy hoe: "Tsy mana-kavaly ma Enao? Ino zany hempangan'izy reo Anao zany?" 63Fa nangina Jesosy. Ozy ny mpisoronabe taminy hoe: "Mandidy Anao amin'ny alalan'Andriamanitra velona za, lazao aminay raha Enao no Kristy, Zanak'Andriamanitra." 64Jesosy namaly an'azy hoe: "Vôlazanao, fa lazaiko aminao manomboka zao de ho hitanareo ny Zanak'Ôla hipetrka akeo an-tagnana ankavanan'ny Hery, ary ho tonga akeo amin'ny rahon'ny lagnitra."65Avy akeo ny mpisorognabe nandrovitra ny ankanjony ary nilaza hoe: "Niteny ratsy Izy! Nahôgna isika no mbola mila mpijoro vavolombelona? Indro, reignareo ny fitenenan-dratsy zao. 66Ino no hevitrareo?" Namaly izy reo ary nagnano hoe: "Mendrika ny ho foaty Izy."67Avy akeo izy reo nandrora ny tareny sy nitaroka an'Azy, ary namely tefaka an'Azy, 68ary nagnano hoe: "Maminagnia aminay, ry Kristy. Iza no namely Anao?"69Ary Petera nipetraka avelagn'ny kianja, ary nisy mpanompo vavy tonga nagnatogna azy nitare hoe: "Enao iany kô de niaraka tamin'i Jesosin'ny Galilia." 70Fa nandà izany takeo agnolôn-jareo izy, magnano hoe: "Tsy fantatro ze koragninareo."71Rafa nivôka ny vavahady izy, de nisy mpanompo vavy hafa naita an'azy ary nitare tam-reo ze takeo hoe: "Ity leila iany kô de niaraka tamin'i jesosy avy aigny Nazareta." 72Mbola nandà ndre izy niaraka tamin'ny fianianana hoe: "Tsy fantatro zany leila zany!"73Nony afaka kelikely de nagnatogna reo ze nitsangana takeo ary nitare tamin'i Petera hoe: Enao iany kô de tegna raika amin'izy iregny, fa ny fomba firesakao de mempanga anao." 74Avy akeo izy nanomboka nanozogna sy niniana ka nagnano hoe: "Tsy fantatro zany leila zany." Ary takeo de nagneno ny akoho. 75Tadidin'i Petera ny teny nambaran'i Jesosy hoe: "Mbola tsy magneno ny akoho de handà an'Anà intelo enao." Avy akeo izy nivôka ary nitomagny mafy.
Chapter 27

1Ary rafa tonga ny maregna, de nitetika hanotra an'i Jesosy mba hamono an'Azy reo leiben'ny mpisoragna sy ny loholona daôly. 2Izy reo namatotra an'Azy, nitarika an'Azy teigny ivelany, ary nanolotra an'Azy tamin'i Pilato governora.3Ary Jodasy, le namadika an'Azy, rafa naita fa vôeloka Jesosy, de nibebaka izy reo namerina reo volafotsy telopolo tamin'reo leiben'ny mpisorana sy reo loholona, 4ary niteny hoe: "Nanota za tamin'ny namadiko rà tsy manan-tsiny." Fa zareo niteny hoe: "Aônay ino? Anao zany." 5De natsipiny takao an-tempoly reo volafotsy, ary nanainga, sy nivôka ary nagnantona ny tegnany Izy.6Ireo leiben'ny mpisorona naka reo volafotsy ary niteny hoe: "Tsy ara-dalàna ny mametraka ity akao amin'ny fiteirizam-bola, satria ity de vidin-drà." 7Niara-niresaka ny ôla zareo ary nividy ny sahan'ny mpagnano vilany tanimanga ze handevegnana reo vahiny tamin'reo vôla. 8Ary zeigny no antony niantsoana izany saha zany hoe: "Sahan'ny Rà" mandrak'androany.9Ary de tanteraka ze vôlaza tamin'ny mpaminany Jeremia, magnao hoe: "Naka ny volafotsy telopolo zareo, vidy nanombanan'reo vaôkan'Isarely Azy, 10ary zareo nagnome izeigny ho an'ny sahan'ny mpagnano vilany tanimanga, araka ny natoron'ny Tompo ana."11Ary Jesosy nijoro takeo anatrehan'ny governora, ary ny governora nagnontany an'Azy hoe: "Enao ma no mpanjakan'reo Jiosy?" Jesosy namaly an'azy hoe: "Vôlazanao." 12Fa rafa nampangain'reo leiben'ny mpisorona sy reo loholona Izy, de tsy namaly na ino na ino. 13De niteny taminy Pilato hoe: "Tsy enognao ma ny fiampangana rehetra atao amignao 14Fa tsy namaly na de tegny raika aza Izy, gaga tanteraka nony zany ny governora.15Ary isakin'ny fety de fômban'ny governora ny mamôka gadra raika vôfidin'ny vahôka. 16Tamin'io fotoana io, nagnana gadra malaza ratsy antsoina hoe Barabasy zareo.17No zany rafa niara-nitarongona zareo, de ozy Pilato tamin'jareo hoe: "Iza no teignareo halefako ho anareo Barabasy, sa Jesosy ze antoigna hoe Kristy?" 18Fantany fa nony fialonana no nanoloran-jareo an'i Jesosy taminy. 19Raha nipetraka takeo amin'ny seza fitsaragna izy, de nandefa tent taking ny vadiny ary nagnano hoe: "Tsy magnana na ino na ino atao amin'ity leila tsy manan-tsiny ity za. Fa ory lôtra za niany nony nofy azoko momba an'Azy."20Ary reo leiben'ny mpisorona sy reo loholona nandresy lahatra ny vahôka mba hangataka an'i Barabasy, ary hampamono an'i Jesosy. 21Nagnontany an-jareo ny Governora hoe: "Iza amin'izy roey no teignareo halefako ho an'nareo?" Ozy zareo hoe: "Barabasy." 22Pilato niteny tamin-jareo hoe: Ino no tokony atôko amin'i Jesosy ze antovina hoe Kristy?" Izy daôly namaly hoe: "Fantsiho amin'ny hazofijaliagna Izy."23De ozy Izy hoe: "Naôgna, ino ny heloka natôny " Fa vô maika zareo nikikika mafy hoe: "Fantsiho amin'ny hazofijaleigna Izy." 24Fa rafa hitan'i Pilato fa tsy afaka hagnano na ino na ino izy, kanefa efa nanomboka ny tabataba, de naka rano izy, nagnasa ny tagnany takeo agnatrean'ny vahôka, ary nagnano hoe: "Tsy magnan-tsiny amin'ny ràn'ity lehilà tsy magnan-tsiny ity za. Fa asanareo zeigny."25Reo ôla daôly nitare hoe: "Ho aminany sy ny zanakay anie ny ràny." 26De nalefany ho an-jareo Barabasy, fa nively karavasy an'i Jesosy izy ary nagnolotra an'Azy ho fantsina.27Avy akeo reo miaramilan'ny governora naka an'i Jesosy hakao an-dapa ary nagnangona reo vondrona miaramila daôly. 28Nagnala ny fitafiagny zareo ary nampagnao akanjo jaky an'Azy. Nagnambôtra satro-boninahitra tsilo zareo ary nametraka izeigny takeo an-dôny, ary nametraka tehina takeo amin'ny tagnany ankavanana. 29Nedohalika takeo agnatreny zareo ary naneso an'Azy, nagnano hoe: "Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!"30Nororan-jareo Izy, ary nalain-jareo ny tehina de nikapoka an'Azy im-betsaka takeo amin'ny lôny. 31Rafa avy nagneso an'Azy zareo, de nagnala ny akanjo lavany ary nampitafy an'Azy ny fitafeigny, ary nitondra Azy nivôka mba hamantsika an'Azy amin'ny hazofijaligna.32Rafa nivôka zareo, de naita leila raika avy akeigny Syrena antsoina hoe Simona, ze noteren'jareo hiaraka amin-jareo mba hampilanjaigna ny hazofijaligny. 33Nankeigny amin'ny toerana antsovigna hoe Golgota zareo, ze midika hoe: "Toeran'ny Karandô." 34Nomen-jareo divay mifangaro amin'ny afero Izy mba ho sotroina. Fa rafa nandramany zany, de tsy nisotro Izy.35Rafa nofantsin-jareo tamin'ny azofijalina Izy, de nataon-jareo loka ny fizarana reo fitafiny,36ka nipetraka zareo ary nijanona niambina an'Azy. 37Takeo ambonin'ny lôny no nametran-jareo soratra milaza ny nanameloana an'Azy, ze mivaky hoe: "Ity no Jesosy, mpanjakan-reo Jiosy."38Nisy jolahy roey nofantsegna niaraka taminy, ny raika teo ankavanany ary raika teo ankavia. 39Reo ze nandalo de nanevateva an'Azy, nanivingivigna ny lôn-jareo 40ary nagnano hoe: "Enao ze handrava ny tempoly ary hanambôtra izany indray akao agnatin'ny telo andro, vonjeo ny tegnanao! Raha Enao no Zanak'Andriamanitra, midinà avy akegny amin'ny hazofijalina!"41Ôtrany zany ko reo leiben'ny mpisorona nagneso an'Azy, niaraka tamin-reo mpanora-dalàna sy reo loholona, ary nitare hoe: 42"Nagnavotra reo afa Izy, fa tsy afaka magnavotra ny tegnany. Izy no mpanjakan'Israely. Avelao Izy hidigna akegny amin'ny hazofijalina, ary de hino an'Azy isika.43Natoky an'Andriamanitra Izy, avelao Andriamanitra hamonjy an'Azy ao, raha mankasitraka ny hagnafaka an'Azy Andriamanitra. Fa na Iza aza de nitare hoe: "Izao no Zanak'Andriamanitra." 44Ôtrany izany kô reo jolahy ze nofantsina niaraka taminy nitare fanevatevagna taminy iany kô.45Ary nagnomboka tamin'ny ora fahenina de nandrakotra ny tany daôly ny aizina ka hatramin'ny ora fasivy. 46Takeo amin'ny ora fasivy, de nikikika tamin'ny feo mafy Jesosy ary nagnanao hoe: "Ely, Ely, lamà sabaktani?" Izay midika hoe: "Andriamanitro, Andriamanitro, naôgna no nandao Anà Enao?" 47Rafa reign'ny sasagny tamin-jareo ze nitsangana teo zany, de ozy zareo: "Miantso an'i Elia Izy."48Takeo iany de nihazakazaka ny raika tamin-jareo ary naka spaonjy, namonto izeigny tamin'ny vinaingitra, nametraka izeigny tamin'ny tohitohina bararata, 49ary nagnome izeigny an'Azy mba ho sotroina. Ny sasagny tamin-jareo nitare hoe: "Avelao Izy. Hitantsika aketo raha ho tônga hamonjy an'Azy Elia." 50De nikika tamin'ny feo mafy ndray Jesosy ary nagnolotra ny fagnany.51Indro, ny lamban'ny tempoly nizara roey hatrany ambony ka hatrany ambany, ary nihorohoro ny tany, ary vaky nisasaka reo vatolampy. 52Nisokatra reo fasagna, ary ny fatin-reo ôlon'Andriamanitra betsaka ze nodimandry de natsangana. 53Zareo de nivôka avy takao amin'ny fasagna tafaran'ny fitsanganany tamin'ny maty, niditra ny tagnana masina, ary nibôgna tamin'ny ola betsaka.54Ary reo kapiteny sy reo ze nijery an'i Jesosy rafa naita ny horohoron-tany sy reo ra ze nitranga, de lasa natatra mafy ary nagnano hoe: "Zanak'Andriamanitra marina ty." 55Nisy Vevavy betsaka ze nagnaraka an'i Jesosy hatreigny Galilia mba hikarakara an'Azy takeo nitazagna avy aigny lavitra. 56Tamin-jareo Maria Magdalena, Maria renin'i Jakoba sy Josefa, ary ny renin-reo zanakalan'i Zebedio.57Rafa ariva ny andro, de nisy leila raika manan-karena avy aigny Armatia tonga, antsovina hoe Josefa, ze mpianatr'i Jesosy iany kô. 58Nagnatona an'i Pilato izy ary nangataka ny fatin'i Jesosy. De nobekon'i Pilato omegna an'azy zany.59Naka ny faty Josefa, namono zany tamin'ny lamba rongony madio, 60ary nampandray zany tamin'ny fasagna vaovao ze nolavahany tamin'ny vatolompy. De nanakodia vato ngeza hanôgna ny varavaran'ny fasagna izy ary nivôka. 61Maria Magdalena sy reo Maria hafa de takeo, nipetraka takeo ampitan'ny fasagna.62Ny andro manaraka, ze andro akao afaran'ny fanomanagna, de niara-nitarongona tamin'i Pilato reo leiben'ny mpisorogna sy reo Fariseo. 63Ozy zareo hoe: "Tompoko, tadidinay fa tamin'ny mbola velogna iny mpamitaka iny, de ozy Izy hoe: "Afaran'ny telo andro, de hitsangana ndray Za." 64Ka no zany, mandidia mba ho ambesana ny fasagna hatramin'ny andro fatelo, raha tsy zany reo mpianagny mety ho avy ary hangalatra an'Azy de hiteny amin'ny ôla hoe: "Nitsangana tamin'ny maty Izy", ary ny fitaka farany de ho ratsy nony le tamin'ny vôlôny."65Ozy Pilato tamin-jareo hoe: "Makà mpiambina. Mandeana ary ambeso tsara araka ze vintanareo izany." 66De nandè izy reo ary niambina ny fasagna, nanisy tombokase ny vato ary nametraka ny mpiambina.
Chapter 28

1Ary tamin'ny align'ny Sabata, ra vô nanomboka mangiran-dratsy ny andro vôlôny amin'ny herinandro, de lasa nande nijery ny fasagna Maria MAgdalena sy le Maria raika hafa. 2Indro, nisy horohoron-tany be, fa ny anjelin'ny Tompo no nidigna avy takaigny an-dagnitra, ary nanakode ny vato, ka nipetraka takeo ambonin'izany.3Ny endriny de ôtran'ny tselatra, ary ny akanjony de fotsy ôtran'ny oram-panala. 4Raiki-tatra reo mpiambina ka nanjary ôtran'ny lehilà maty.5Nikoragna tam-reo vevavy le anjely ary nitare tamin-jareo hoe: "Aza matatra, fantatro fa mikaraka an'i Jesosy nareo, le nofantsina tamin'ny hazofijalina. 6Tsy akato Izy, fa efa nitsangana, araka ny efa nolazainy. Malaky, tazano ny tôrana ze nandrin'ny Tompo. 7Mandehana fainagana ary taravo reo mpianagny hoe:' Nitsangana tamin'ny maty Izy. Indro, efa nande nelôha an'nareo aigny Galilea Izy. Aigny no ahitanareo an'Azy. 'Indro, efa vôlazako taminareo."8Nandaosa haingana ny fasagna tamin-tatra sy tamin'ny hafalena leibe reo vevavy, ary nihazakazaka mba hitare reo mpianagny. 9Indro, nihaona tamin-jareo Jesosy ary nitare hoe: "Arahaba!" Nagnatona reo vevavy, nitazona ny tongony ary nidera an'Azy. 10Avekeo Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Aza matatra. Mandeana mitare am-reo ralàko mba hiala ka hanaraka an'i Galilia. Aigny no hahitan-jareo Ana."11Ary raha mbola iny nande iny reo vevavy, indro, ny sasagny tam-reo mpiambina nankaigny amin'ny tanàn-dehibe ary nitare tamin'ny lohan'ny mpisorogna ny ra daôly ze nibôgna. 12Rafa niaogna tam-reo lohan'ny mpisorogna ary nikoragna momban''ny ôla tamin-jareo, de nagnome vola be an-reo miaramila zareo reo 13ary nitare an-zareo hoe: "Lazao am-reo sasagny hoe: 'Tonga tamin'ny andro aligna reo mpianatr'i Jesosy ary nangalatra ny vatany ra mbola natory zahay.'14Rafa tonga taigny amin'ny governora zany tatitra zany, de handresy latra an'azy tsika ary hanala ahiahy aminareo." 15Ary de nalain'ny miaramila ny vola ary nagnano arak-ze efa nolazaina an'azy zareo. Ary zany tatitra zany de nieli-patrana takeo am-reo Jiosy ary mitohy mandrak-zao aza.16Fa nankaigny Galilia reo mpianatra raika ambefolo, taigny amin'ny tendrombohitra ze efa natoron'i Jesosy an'azy reo. 17Rafa natazana an'Azy zareo, de nidera an'azy, fa ny sasagny kosa niahiahy.18Nagnatona an'jareo Jesosy ka nikoragna tamin-jareo ary nitare hoe: "Efa namena Anà ny fahefana retraretra aigny an-dagnitra sy ety an-tany. 19Koa mandeana ary atôvy batisa zareo amin'ny agnaran'ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina.20Ampenaro zareo hankatô ny ra daôly ze nandidiko an'nareo. Indro, miaraka aminareo fôgna Za, eny fa na hatramin'ny fefaran-zao tontolo zao aza."

Mark

Chapter 1

1Ty no niantombon'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, le Zanak'Andriamanitra. 2Arak'izay voasoratra ao amin'Isaia mpamignany magnano hoe: "Indro za magniraka ny irako ialô An'nao, le raika agnamboatra ny lalanao ". 3Misy feo magnantso mafy akagny agn'efitra magnano hoe: "Ataovy vognona ny lalan'ny Tompo, ataovy mahitsy ny lalan-kombagny".4Tonga Jaona, nagnano batisa tagny an'efitra ary nitory ny batisan'ny fibebahana ho amin'ny famelan-keloka vokatry ny ota. 5Ny ôla daôly takagny Jodia sy ny ôla takao Jerosalema de tonga nagnantona ananjy. Nataony batisa takao amin'ny farihin'i Jordana zareo, refa nibaboka ny fahotany. 6Jaona de nitafy lamba volon-drameva ary nagnano fekibo oditra tamin'ny andilagny, ary valala sy tintely dia no foaniny.7Nikoragna Izy hoe: "Misy raika oavy magnaraka ana zay mahery mioatra ana, ary tsy mendrika nade ny hamaha ny tadin-kirarony aza za. 8Za nagnano batisa an'nareo taminn'y rano, fa Izy kosa hagnano batisa an'nareo amin'ny Fanahy Masina."9Tamin'ny andro nahatongavan'i Jesosy tao Galilia no nitrangan'izany, ary nataon'i Jaona batisa takao amin'ny farihin'i Jordana Izy. 10Ra vô nivôka ny rano Jesosy de hitany nisokatra ny lanitra, ary nidina takeo aminazy sala voromelala ny Fanahy. 11Ary nisy feo avy takaigny an-danitra nagnano hoe: "Anao no Zanako malalako, Anao no sitrako".12Avy akeo de notômin'ny Fanahy ho aigny agn'efitra Jesosy. 13Efapolo andro Izy no taigny agn'efitra, nalain'ny satana fanahy. Nipetraka niaraka tamin'ny bibidia Izy, ary nanompo Anazy reo anjely.14Ary rafa voasambotra Jaona de tonga takao Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra. 15Ary nilaza hoe: "Fa tonga ny fotoana, ary efa ankeky ny fanjakan'Andriamanitra. Mibebaha de minoa ny filazantsara."16Rafa nande taigny amoron'ny ranomasin'i Galilia Izy, de nahita an'i Simona sy Andrea rahalahin'i Simona nagnarato, satria mpagnarato zareo. 17Ozy Jesosy taminjareo hoe: "Ave, magnarà Ana fa ataoko mpagnarato ôla nareo". 18Tonga de nametraka ny harato zareo ka nagnaraka Anazy.19Rafa lasana alavidavitra Jesosy dia natazagna an'ery Jakoba zanak'i Zebedio sy Jaona ralany; zay takao an-tsambokely nagnamboatra ny arato. 20Nagnantso anjareo Izy ka de napetrany tao an-tsambokely avy atraigny Zebedio rainy sy ireo mpikarama, ka nagnaraka anazy zareo.21Avekeo de tonga takao Kapernaomy zareo, ary tamin'ny andro Sabata, dia niditra takao tamin'ny synagoga Jesosy ary nampianatra. 22Nidagnaka tamin'ny fampianarany zareo, satria nampianatra an-jareo otran'ny ôla managna fahefana Izy fa tsy otran'ny reo mpanora-dalàna.23Avy akeo nisy leila raika takao aminn'ny synagogan-jareo zay nanagna fagnahy maloto nagnantso mafy, 24nagnano hoe: "Ino no hifandraisanay aminao ry Jesosy avy aigny Nazareta? Tonga handratra an'nay ma Anao? Hainay hoe Iza Anao, Anao Le Masin'Andriamanitra !" 25Niteny mafy ny demonia Jesosy ka nagnao hoe: "Mangigna ary mivoà aminazy !" 26Ary le demonia nampandavo ananjy sy nivoaka taminazy ka nitabataba mafy be.27Gaga daôly ny ôla ka nifagnontany zareo hoe: "Ino ty? Fampianarana vaovao misy fahefana ty? Bokôny ary mbarik'ireo fagnahy maloto aza magneky ananjyy." 28Ny vaovao momba ananjy dia niparitaka taigny rehetra tegny tao aminn'y faritry Galilia.29Rafa avy nivôka ny synagoga, de tonga takao an-tragnon'i Simona sy Andrea zareo, niaraka tamin'i Jakoba sy Jaona. 30Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandamaka voan'ny tazo, ka nolazain-jareo an'i Jesosy ny momba anazy. 31De nagnantona Izy, de noraisiny tamin'ny tanany, ary nareminy; de afaka ny tazony, ary nanomboka nanompo Ananjy zareo.32Tamin'io hariva io, taorian'ny filentehan'ny masoandro, de nindesin-jareo taminazy ze narary daôly na kô misy demonia. 33Nitangorogna tam-baravaragna daôly ny takao an-tanana daôly. 34Nagnasitrana ôla maro zay nararin'aretina samihafa Izy ary nandroaka demonia maro, fa tsy navelany hikoragna reo demonia satria nafantatra Anazy zareo.35Nifô ampolakeka Izy ra mbola maizigna ny andro; niala takeo Izy ary nande takaigny amin'ny toerana mitokana ary takeo Izy no nivavaka. 36Nitady an' Azy Simona sy reo izay niaraka taminazy. 37Nahita an'Azy zareo ary nikoragna taminazy magnano hoe: "Mikaraka An'nao daôly ny ôla".38Ozy hoe: "Anda tsika ho aigny amin'ny toeran-kafa, aigny avelan'ny tanàna magnodidigna, mba ahafako mitory teny akaigny kô. Fa zany no antony nivoako nangaty." 39De nititeziny an'i Galilia daôly Izy, nitory teny takao amin'ny synagogan-jareo sady nandrôka demonia maro.40Nisy boka raika tonga tamin'Azy. Nengavy an'Azy izy; nandoalika tamin'Azy ary nikoragna hoe: "Ra manjary Aminao, de afaka magnadio ana Anao". 41Onena anazy, de nagninjitra ny tagnany Jesosy ary nikasika ananjy, nagnano hoe: "Manjary, madiova anao". 42Tonga de niala taminazy ny habokana, ary nadio izy.43Nampitandrina mafy anazy Jesosy ary nandefa anazy. 44Ozy taminazy hoe: "Tandremo tsy hivolagna na amin'iza na amin'iza anao, fa andana, atoro ny mpisorona ny vatagnao, ary magnanôva fagnatitra nohon'ny fagnadiovana an'nao araka ny nandiden'i Mosesy, mba ho fijorôna vavolombelona ho anjareo."45Fa nivôka izy ary nitineniny daôly ny ôla sady tegna naparitany ny teny ka de tsy afaka niditra malalaka taigny an-tanana Jesosy, ka nipetraka takaigny tavelany takaigny tamin'ny toerana mitokana Izy ary nagnantogna an'Azy ny ôla avy amin'ny toerana daôly.

Chapter 2

1Rafa niverigna takao kapernaomy Izy afaka andro vitsivitsy, de regny fa takao an-dragno takao Izy.2Betsaka tokôtra ny ôla nitangorogna teo ka tsisy nipetrana; na de tambaravaragna aza, ary nitory ny teny taminjareo Jesosy.3De nisy leila maromaro nagnantona an'Azy nitondra leila malemy tokana, ze nolanjaina gaogna efadà. 4Rafa tsy afaka nagnatogna an'Azy ankeky zareo noho ny habetsaky vaôka, de nalanjareo ny tafotragno, ze takeo ambonin'i Jesosy, ary rehefa afaki'zareo de nampidignin -jareo le farafara zay nandren'le leila malemy.5Nony nahita ny finoan'jreo, de ozy Jesosy tamile leila malemy: "Anaka vôvela ny helokao."6 Ary nisy sasagny tamin'ireo mpanoradalàna nipetraka takeo, ka nigonongongna takao ampon'jareo hoe:7 "Ahoana no azahoan'io leila io miteny otran'zany?Miteny ratsy Izy! Fa tsy Andriamanitra rerika ihany va no afaka mamela heloka?"8Fa Jesosy nahafantatra avy hatraigny tao amin'ny fanahiny ny ra neritreretin'jareo. Ary Ozy tamin'jareo: "Nagnino nareo no mieritreritra an'zany ra zany akao am-ponareo?9 Ino no mora ny miteny amin'le leilà malemy hoe: 'Vovela ny helokao' se ny hoe: 'Mitsangàna, batao ny fandrenanao, de mandeana'?10Fa mba afantaranareo fa managna fahefana hamela heloka aketo antany ny zanak'Öla, "Ozy tamile kombo" 11Taraviko marina aminareo, Mitsangàna, batao fandrenanao, de mandiana aigny an-dragnonao." 12De nitsangana izy de nibata ny fandreny avy hatraigny, ary nivôka an'le tragno nagnoloana ny daôlo, ka nagnome voninahitra an'Andriamanitra, ary ozy zareo hoe: "Tsy mbôla nahita ra ôtran'ity zahay."13Avy takeo nivoaka takeo amorondranomasina ndre Izy ary nagnatogna an'Azy daholo ny vaôka, ka nampianariny zareo.14 Ary rafa nandalo Izy, de natazagna an'i Levi zanak'i Alfeo nipetraka takeo amin'ny tôrana fanangonana hetra de ozy Izy: "Magnarà Anà." De nitsangana izy de nagnaraka an'Azy.15Ninana takao an-dranon'i Levy Jesosy ary mpamory hetra sy ôla mpanota betsaka no niaraka ninana tamin'Azy sy reo mpianany fa betsaka zareo no takao ary nagnaraka an'Azy.16 Ary reo mpanora-dalàna , ze Fariseo, rafa natazagna an'i Jesosy niaraka ninana tamireo ôla mpanota sy reo mpamory hetra de nagnotany ny mpianany hoe: "Nagnino Izy no miaraka minana amin'ny mpamory hetra sy ôla mpanota?"17Rafa naregny an'zany Jesosy de ozy Izy taminjareo: "Tsy ny salama no mila mpitsabo; fa ze marary rerika iany no mila an'zany. Tsy tonga hagnantso ny ôla marina Za,fa ny ôla mpanota."18Ary nifady ahanina reo mpianatr'i Jaona sy reo Fariseo. Leila maro no nagnantona an'Azy ka nitare tamin'Azy hoe: "Nagnino ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatr'ireo Fariseo no mifandy ahanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mbô mifady.?" 19De ozy Jesosy taminjareo hoe: "Afaka mifady ahanina va ny mpamonjy fanambadena ra mbola akeo ny mpampakatra? Raha mbola miaraka aminjareo akeo ny mpampakatra,de tsy afaka mifady ahanina zareo.20Ho avy ny andro angalàna ny mpampakatra amin'jareo, de am'zay andro zay vô mifady ahanina zareo. 21Tsisy manakotra lamba tonta amin'ny lamba vao, fa ra tsy zany dia hiala amile tapa-damba ny vaovao hiala amin'ny talô,de vao maika ratsy ny faharovitana.22Ary tsisy ôla manisy divay vao amin'ny siny hoditra kôro, ra tsy zany de rovitrin'ny divay ny hoditra de samy very ny divay sy ny siny hoditra. Fa kosa, divay vao atao agnaty siny hoditra vao."23Tamin'andro sabata Jesosy nande taigny an-tsabo maromaro, ary nanomboka nitango salombary ny mpianany. 24De ozy ny Fariseo tamin'Azy: "Tazagno, nagnino zareo magnano ra tsy magnara-dalana amin'ny Sabata?"25De ozy Izy taminjareo: "Mbôla tsy novakinareo ma ze nataon'Davida rafa tao agnatin'ny tsy fisena sy hanoanana izy sy reo leila niaraka tamin'Azy_ 26nanakôry ny fomba nidirany tao andragnon'Andriamanitra tamin'andron'Abiatara mpisorogna be, de nihinana ny mofon'ny fanatrehana, ze tsy ara dalana na ho an'iza n'iza mihinana afa-tsy ny mpisorogna fogna, ary mbôla nagnomezany betsaka an'reo ze niaraka tamin'azy?"27Jesosy nikoragna hoe: "Ny Sabata no natao an'ny zanak'ôlombela, fa tsy ny zanak'ôlombelona no ho an'ny sabata.28 Noho zany, ny Zanak'ôla no Tompo na de amin'Sabata aza."
Chapter 3

1De nakao amin'sinagoga ndre Jesosy ary nisy leila maty tagnana takao. 2Nitazagna ankeky an'Azy ny ôla sasagny mbo hitazagna raha hagnasitrana amin' sabata Izy mba azahon'ireo magnameloka an'Azy.3Ozy Jesosy tamin'le leila maty tagnana hoe:'' Miarema de mintsangàna akeo ampovôn'ôla akeo. " 4De niteny tamin'ôla Izy nagnano hoe;" manjary ma ny magnano asa soa amin'andro sabata se ny magnano ratsy; ny mamonjy aigna, se mamono?" Nefa zareo tsy niteny.5Nijery an'azy reo tamina hasosena Jesosy, ary nalaelo Izy satria mafy fo zareo, de ozy tamin'le leila " Ainjiro ny tagnanao" De natsotran'le leila ny tagnany ka sitrana. 6Nivoaka reo Fariseo ary magnomagna malady niaraka tamin'ireo Herodiana nikaraka ze fômba hamonoana an' Azy.7Avy akeo Jesosy, niaraka tamin'ireo mpianany, nankaigny amoron-dranomasina, ary nisy vaôka betsaka nagnaraka avy aigny Galilia sy Jodia. 8Ary ny avy aigny Jerosaleme sy avy aigny Edoma ary hatraigny amoron'ny farihy jordana sy ny magnodidigna an'Tira sy Sidona. Rafa naregny momba reo raha nataony zareo, de nisy vaôka betsaka nankeo amin'Azy.9De nasain'i Jesosy nikaraka sambokely ny mpianany ho an'Azy noho ny hamaron'ny ôla takeo, mba tsy hifanosen'ôla Izy. 10Noho Izy magnasitrana ôla betsaka , de nifandrombaka nagnatogna an'Azy zareo daôly ze managna aretina mbo hikasika an'Azy.11Isaky ny mahita an'Azy ireo fanahy maloto, de miankotra aloany akeo ary mihaika, de ozy zareo hoe'' Anao no Zanak'Andriamanitra.'' 12Nitaraviny mafy zareo mba tsy hampafantatra an'Azy.13Niakatra antanety Izy, ary nagnatso reo ze teny, de avy zareo. 14Nanendry ireo roambefolo Izy(ze nantsoviny hoe Apostoly) mba afan'njareo miaraka amin'Azy sy mandefa an'zareo mitory ny hafatra, 15ary hanagna fahefana hamôka demonia. 16Ary takeo de nanendry an'ireo rombefofo Izy; Simona, nataony hoe; Petera.17Jakoba zanak'i Zebedio,syJaona rahalany ze nameny agnarana hoe Boanarijesy, ze midika hoe Zana-baratra; 18ary Andrea, Filipo, Baritolomeo,Matio,Tomasy,Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota, 19ary Jodasy Iskariota, ze hamadika ana'Azy.20De nody tandragno Izy ,ary de niaraka tonga ndre ny vaôka, de tsy afaka ninana avy zareo. 21Rafa naregny an' izany ny fianakavena , de nivoaka zareo niaka an'Azy, satria lazainjareo hoe; very saina Izy. 22Ary reo mpanora-dalàna ze nidigna avy taigny Jerosalema de nilaza fa:'' nipetran' i Belzeboba Izy '', ka'' amin'ny alalan' ny mpanapaka ny demonia no androany ny demonia.'''23De nantsovin' i Jesosy hankeo amin'Azy zareo ka nitinenany tamin'ny fagnoharana hoe; Amin'ny fomba manakory ma ny hafan'i Satana mandrôka an'i Satana? 24Raha misy fanjakana miady andragno de ho rava zany. 25Raha misy tokan-tragno miady andragno, de tsy haharitra zany tokan-tragno zany.26Raha mintsangana nanohitra ny tenagny Satana ka misaraka, de vetiketika de ho rava. 27Fa tsy misy afaka miditra andragnona leila matanjaka raika ka nandroba an'azy, raha tsy fatorana malô le matanjaka, ary robaina ny tragnony avy akeo.28Tsoriko marina aminareo ,ho voavela ny heloky ny Zanak'olombelona, na de akeo ary ireo teny ratsy nitinenin'ny vavany, 29fa ze miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa de tsy ho voavela heloka mandrakizay, fa meloka nohon' ny ota mandrakizay'' 30nilaza an'izany Jesosy nohon'ny filazan-jareo hoe;'' Managna fanahy maloto Izy.''31Avy takeo de tonga ny mamany sy ny rahalany ary nitsangana taigny avelany. Nandefa ôla nampahafantatra an'Azy zareo ka nampagnantso an'Azy. 32Nipetraka nagnodidigna an'Azy ny vaôka de ozy zareo tamin'Azy hoe:'' ny mamanao sy ny rahalanao de akao ankotany akao,ary mikaraka an'Nao zareo.''33Ary Izy namaly hoe'' Iza no mamako sy rahalako? 34Ary nijery nagnodidina tamin'ôla nipetraka nagnodidina an'Azy Izy de ozy Izy hoe'' Zahao, ireto ny mamako sy ny rahalako! 35Fa na iza na iza magnano ny sitrapon'Andriamanitra de zany ôla zany no rahalako sy anabaviko ary mamako.

Chapter 4

1Ary nanomboka nampianatra takeo amoron'ny ranomasina ndre Izy,ary nisy vahoaka betsaka nitangorogna nagnodidina an'Azy. Niditra takao an-tsambokely izay takeo ambonin'ny ranomasina Izy, ary nipetraka takao. Ny vahoaka daôly kosa de nijanona takeo amoron-dranomasina. 2Nampianatra an'azy ireo raha maro tamin'ny alalan'ny fagnoarana Izy, ary takao amin'ny fampianarany, de zao no nolazainy tamin'azy reo.3'' Henoy, nisy mpamafy nande hamfy voa, 4ary raha namafy izy, de nisy voa sasagny niraraka tamin'ny lālana ka avy reo vorogna ka nihinana an'azy. 5Ny voa sasagny niraraka tamin'ny tany feno korontam-bato, izay tsisy tany loatra. Tonga de nitsiry regny satria tsy laligna ny tany nisy an'azy.6Fa rafa nipôka ny masoandro, de nalazo izy ireo, satria tsisy fakany izy reo, de maigna. 7Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany feno tsilo. Ary nitsiry nihageda ireo tsilo ireo de nanery an'azy, ka tsy namô voa.8Ny voa sasagny niraraka tamin'ny tany tsara ka navokatra be,ary ny sasagny nitombo avy telopolo heny, ny sasany enimpolo heny ary sasagny zato. 9Avy akeo de ozy Izy hoe: Izay manan-tsofigna enti-mihaino ôka izy hihaino.10Rafa irery Jesôsy de nagnotany an'Azy momba an'io fagnoarana io reo ze ankeky an'Azy sy reo mpaminany rombefolo. 11Ozy tamireo hoe: Ho an'nareo no hagnomezana ny zava-miafin'ny Fanjakan'andriamanitra. Fa ho an'reo ze akaigny avelag ny de fagnoharana avokao. 12Mba amin'ny fotoana hitazagnan'izy reo ,eny hitazagna zareo kanefa tsy hahita, ary mba amin'ny fotoana ahenonjareo, eny handregny zareo kanefa tsy hafanatra an'izany, na ko hitodika zareo de hamindra fo aminjareo Andriamanitra.13Ary ozy tamin'zareo hoe: Tsy azonareo ma zagny fagnoharana zany ? Manakôry zany no hazaônareo ireo fagnoarana ankôtran'ireo? 14Le mpamboly ze namafy le voa de le raika ze namafy ny teny. 15Reto le niraraka takaigny an-dalana, zay namafazana ny teny, fa rafa regninjareo zany, de tonga avy hatraigny satana ka hangalatra ny teny vôfafy taminjareo.1716Reto no le vôfafy tagny amin'ny tany be vatovato, ze rafa nandregny ny teny, de nandray izany avy hatraigny tamim-pifaliana. 7Tsy namaka takao, amin'jareo fa vetiketika fôgna. De tonga ny fahorena sy ny fanenjena vokatri le teny ka tonga de lavo zareo.18Reo hafa ze vôfafy tamin'ny tany be tsilo. de ze nandre ny teny. 19Fa ny fagnahian'izao tontolo izao, ny famitahan'ny harena sy ny filāna ny zavatra hafa de tafiditra ka nangeja ny teny ka tsy mamokatra zany. 20Ary reo ze vôfafy takagny amin'ny tany tsara de reo ze naregny ny teny ka nadray izany ka namoa vokatra izy ireo, telopolo, enimpolo,na avy zato heny amin' ze nafafy.''21Jesôsy niteny taminjareo hoe:'' Moa ndesinao akao andragnonao ma ny jiro,de ataonao anaty sobika, na ambany farafara? ndesinao miditra zany de ataonao ambonin'ny fitoeran-jiro. 22Tsisy raha misitrika ze tsy hiseo ary tsisy tsiambaratelo ze tsy hivôka. 23Ra misy manantsofigna ndesina mihaino,ôka izy hiaino!''24Ozy taminjareo hoe: Mitandrema amin'ny teny ze regninareo, fa arakaraka ny ohatra agnoaranareo ihany no hagnoharana an'nareo, ary ampena aminareo izany. 25Satria na iza na iza managna de, de amena betsaka izy, ary na iza na iza tsy managna, na ze anagnany aza de alaina amin'azy.''26De ozy kô hoe: Ny fanjakan'Andriamanitra de sahalan'ny ôla raiky mamafy ny voa amin'ny tany. 27Matory izy amin'ny alina, ary mifô amin'ny maraina, ary ny voa de mitsiry ka naniry, fa tsy fantany hoe: Ahôna? 28Ny tany de mamô amin'ny tegnany ihany, voalohany ny rantsany avekeo ny sampany, avekeo ny voany matoy avy amin'ny tangony. 29Ary rafa matoy ny voa de avy hatrany de handefa fijijana fa efa tonga ny fotom-pijijana.''30De ozy kô hoe: ino no azontsika,ampitahafina ny fanjakan'Andriamanitra, na ino ny fagnoharana ampesainantsika hagnazavana an'zany. 31Zany de sahala ny vôtsinapy, ze rafa afafy, de izy no voa kitika ndrindra amin'ny voa akeo ambony tany. 32nefa ,rafa vôfafy zany, de lasa kakazo geda ary mamô rantsagna geda, ka azon'ny voro-magnembagna hagnorenana tragno akeo amin'ny alokalony.''33Ary fagnoarana betsaka ôtran'zany no nagnambarany ny teny taminjareo araka ze fazaôny an'azy. 34Ary tsy nitare taminjareo, afa-tsy tamin'ny fagnoarana Izy. Saingy,rafa raiky Izy de nazavainy tam'reo mpianatra manokana ny raha dahôly.35Tam'zany andro zany, rafa tonga ny hariva, de ozy Izy taminjareo hoe: Ande atsika ho arý ampita. 36Ka niala takeo amin'ireo vahôka zareo nitondra an'i Jesôsy niaraka tam'zareo, raha igny Izy takao agnaty sambo igny, Nisy sambo kely hafa nande niaraka tamin'Azy. 37Avy takeo de nisy tafio-drivotra be ka ny onjan-drano nanafotra ny sambokely, ka saika feno rano ny sambo.38Ary Jesôsy rerika takao ambodin'ny sambokely,tambonin'ny ondana,nofohazinjareo Izy nagnano hoe: Mpampiantra ô! tsy mampagnino Anao ma ra maty aketo atsika?. 39Ary nifô Izy de niteny mafy tamin'ny rivotra,sady niteny mafy tamin'ny ranomasina hoe: mijanòna, mitonia, ary nitsahatra ny rivotra,ka nisy fitonina be.40De ozy tam'zareo hoe: Nagnino ma anareo matatra? mbola tsisy finoana fogna ma anareo? 41Natatra zareo ka nifagnotany hoe:'' Iza ma ty? fa na de ny rivotra sy ny ranomasina aza de magneky an'Azy?.

Chapter 5

1Tonga takaigne ampitan-dranomasina zareo, takao amin'ny faritr'i Garasena. 2Rafa niala avy takao ami'le sambokely Jesosy ava hatraigny de nisy leila raika vôn'ny fagna ratsy nagnatogna anazy avy takaigny ami'le fasana3Nentotra takagny ami'le fasagna le leila. Tsisy afaka nitana an'azy tsony, na de tamina rojo vy aza. 4Vôfatotra im-betsaka tamigna gadra vy sy rojo vy notapagny le rojo vy ary potika reo gadra vy. Tsisy nanagna hery nife anazy.5Isan'alina sy isan'andro takaigny amireo fasagna sy takaigny an-tanety, de mikikika izy ary nandratra ny tegnany tamina vato varangitra. 6Rafa natazagna an' Jesosy avy talavitra izy de niazakazaka nankeo amin'Azy ary nenkoka takeo alôny.7Ary nika tamina feo mahery izy hoe: "Inona ma ny ifandraisako Aminao, ry Jesosy zanak'Andriamanitra Agnabo be? Mengavy An'nao amin'ny anaran'Andriamanitra raika za, aza mampijaly ana".8 Fa izy niteny tamin'azy hoe: "Mivoa amin'io leila io, ry fagna maloto".9Ary Izy nagnotany an'azy hoe: "Iza ny agnaranao?" Ka nivaleny hoe: "Legiona ny agnarako, satria betsaka be zahay." 10Ary nengavy mafy tamin'Azy hatraigny hatraigny izy tsy handrôka an'anazy reo avelan'ny faritra.11Ary nisy andenan'kisoa niraotra takaigny an-tanety, 12ary nengavy tamin'azy zareo, nagnano hoe: "Alefaso ami'reo kisoa zahay; avelao zahay iditra ami'reo. Avelao zahay hiditra akao ami'reo".13 Ka de navelany zareo; ary nivôka reo fagna maloto ka niditra tami'reo kisoa ary avy de nirifatra takaigny amina antsagna ho aigny an-dranomasina reo, ary kisoa takeo amina roa arivo takeo no maty tan-dranomasina.14Nitsoka nilefa reo nampinana ny kisoa ary nitatitra ny ra niseo takao an-tanàna sy takaigny ambanivotra, ary ôla betsaka no nivôka niza ny ra niseo. 15Avy takeo zareo nakeo amin'i Jesosy ary itan'jareo le leila nitoran'le demonia, le raika ze nitôran'ny legiona, nipetraka takeo, nitafy ary ampy saigna, ka de natatra 'zareo16Reo ze naita ny ra nitranga tami'le leila nitôran'le demonia de nitantara tamin'jareo ny momban'izany tamin'ny atsipiriny, ary kô nitantara momba an'reo kisoa tami'jareo. 17De netomboka nengavy an'jareo mba helany akeo amin'ny faritry zareo.18Rafa hiakatra takao amin'le sambokely Izy, de nengavy tamin'Azy le leila nitôran'le demonia mba hiaraka amin'Azy. 19Saigy tsy namela tsy namela an'azy anefa Jesosy, fa nagnano tamin'azy hoe: "Mandiana mody akaigny amin'ny tragnonao sy ny fenakavenao ary tantarao amin'jareo ze nataon'ny Tompo taminao, sy namindrany fo taminao". 20De lasana nody izy ary nanomboka nagnambara ze ra gedabe ze nataon'i Jesosy tamin'anjy takaigny Dekapolisy, ary gaga ny daôly.21Ary refa nande takaigny ampita ndre Jesosy, tamin'ny sambo kely, de 'ndreo nisy vahôka betsaka be niangona nagnodidigna an'Azy, ra takeo amorogna ranomasina igny Izy. 22Avy takeo tonga ny raika mpitarika ny Synagoga, atao hoe Jairo, ka ra vô naita an'Azy, de nentoraka takeo an-tongony.23 Nitalao hatraigny hatraigny izy, nagnano hoe: "Marary mafy efa ho foaty ny zanako vevavy. Mitalao aminao za, ave ary apitrao amin'azy ny tagnanao de ho velona izy." 24De lasana niaraka tamin'azy Izy, ary vahôka betsaka be no nagnaraka sy naniry nagnodidigna anazy.25Ary nisy vevavy raika takeo vôn'ny faverezan-drà robefolo taona. 26Nijaly be tokô izy ary nitety mpitsabo maro sy nandany ny fanagnany daôly, nefa tsy nety sitragna fa vô maika ne ratsy. 27Rafa naregny reo tatitra momban'i Jesosy izy, de nakao afarany agnaty vahôka izy ary nikasika ny fitafiny.28Satria ozy izy hoe: "Ra makasika ny lambany fôgna za, de sitragna". 29Rafa nikasika an'Azy izy, de nijanona ny faverezan-drà, ary tsapany hatraigny agnatiny fa sitragna izy.30Fantatr'i Jesosy niaraka tamin'zay fa nisy hery niala tamin'Azy. Nitodika takaigny amin'ny vahôka Izy ary niteny hoe: "Iza no nikasika ny fitafeko?"31 De namaly an'Azy reo mpianany nagnano hoe: "Itanao reo vahôka marobe mifanisika aminao reo, ka ozy anao hoe: "Iza no nikasika Ana. 32Fa nijery ny magnodidigna an"Azy Jesosy mba ahitany ze nagnano an'zany.33Le vevavy, nafantatra ze nitranga tamin'anjy, de natatra sy nangitakitaka. Nande izy ary nentoraka takeo agnolônan'i Jesosy ka nilaza tamin'Azy ny marina daôly. 34De ozy Jesosy tamin'azy hoe: "Anaka, ny finônao no nahasitragna an'nao. Madiana amin'ny fiadanana ary sitragna amin'ny aretinao."35Ra mbôla niteny izy, de tonga ny ôla sasagny avy taigny amin'ny mpitarika ny Synagoga, nagnano hoe: "Efa maty ny zanakao. Nahôna no mbôla magnairana ny mpampianatra iany."36Fa rafa naregny ny ze nolazain'jareo Jesosy, de ozy izy tamin'le mpitarika ny Synagoga: "Aza matatra.Minoa fôgna iany".37 Ary tsisy navela niaraka amin'Azy, afa-tsy Petera,Jakoba,ary Jaona ralan'i Jakoba. 38Tonga taigny an-dragnon'le mpitarika ny Synagoga zareo ary naita ôla nitabataba be takeo izy, nitomagny sy nidradradradra mafy zareo.39Rafa niditra ny trano izy, de ozy izy tamin'jareo hoe: "Nagnino anareo no mitabataba sy mitomagny? Tsy maty ny zaza fa matory". 40Nimeme an'Azy zaeo. Nefa navôkany taigny ambelagny zareo daôly ary naka ny ray sy ny renin'ilay zaza sy reo ze niaraka taminazy, ary niditra tamin'le efitra nisy an'le zaza izy.41Noraisiny ny tagnan'le zaza ary niteny tamin'azy hoe: "Talita, Komy!" izay ra adika de hoe: "ragaombavy, miteny aminao za, mitsangàna!" 42Ary avy hatraigny de nitsangana ragaombavy ary nande (satria roa ambefola taona izy) . Talanjogna avy hatraigny izy ereo. 43Noraràny mafy izy reo mba tsisy na iza na iza afantatra ny momba an'zao. Avekeo de nasainy namena ahanina ra gonbavy.
Chapter 6

1Niala an'io tôrana io Izy ka namonjy ny tanindrazagny, ary nagnaraka ananjy ny mpianany. 2 Ary rafa tonga ny andro sabata, de nampianatra takao amin'ny Synagôga Izy. Betsaka ny ôla naregny Anazy de nidagnaka zareo. Ozy zareo hoe: "Avy akaiza no nazaôny 'reo fampianarana 'reo? Ino zao fahendrena ze namena an'Azy 'zao? Ino reo fahagagana ze nataony tamin'ny tagnany 'reo? 3Tsy le mpandrafitra ma io?, le zanak'i Maria ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy ary Simona? Tsy miaraka amintsika aketo ma 'reo anabaviny? Toina tamin'i Jesosy zareo.4De ozy Jesosy hoe: "Tsy misy mpamignany tsy hajaina,afa-tsy akao amin'ny taniny sy akao amin'ny tanindrazany sy akao amin'ny havany ankeky ary akao amin'ny fianakaveny manokana iany." 5Tsy afaka magnano asa mahagaga Izy, afa-tsy ny fametrany tagnana amin'ny marary vitsivitsy ary manasitrana an'njareo. 6Gaga nohon'ny tsy finoan'njareo Izy. Avekeo nande nagnodidina ny tanàna Izy hampianatra.7Avy takeo de nagnantso 'reo rombefolo lahy Izy ary nanomboka nagniraka an'njareo tsirôirôy, ary nameny fahefana takeo amin'ny fagnahy maloto zareo, 8Ary nandidy an'njareo tsy hitondra na ino na ino amin'ny deny, na mofo, na kitapo, na vola amin'ny fekibonjareo afa-tsy tehina fôgna. 9fa hagnagno kiraro, ary tsy hangnagno akanjo rôy.10Ozy Izy tamin'njareo hoe: "Na vena na vena anareo miditra amina tragno raiky, de mitobe akao mandra-pialanareo aigny, 11 Ary raha misy tanàna tsy mandray an'nareo na mihaino an'nareo, rafa miala akao am'zany tôrana zany anareo, de aintsagno ny jofo amin'ny tongonareo mba ho fijorôana vavolombelona amin'njareo."12De niala zareo ary nitory fa ny ôla de tokony hibebaka amin'ny fahotany, 13Nandrôka demonia maro zareo, ary nanosotrta marary maro tamin'ny menaka ka nagnasitrana an'azy 'regny.14'Regnin'i Heroda mpanjaka zany, satria lasa nanjary nalaza be ny agnaran'i Jesosy. Ny sasagny nagnano hoe: "Nitsangana tamin'ny maty i Jaona mpagnano batisa ary nony zany, de miasa akao agnatiny 'reo hery mahagaga 'reo." 15Fa 'reo sasagny kosa nilaza hoe: "Elia Izy" Ny sasany mbôla niteny hoe : "Mpamignany Izy, ôtran'ny raika am'reo mpamignany tamin'ny andro talô."16Fa rafa naregny zany Heroda de ozy izy hoe : "Jaona, le notapako lô, no nitsangana tamin'ny maty." 17Fa Heroda no nampisambotra an'i Jaona ka nandefa an'azy taigny an-dragnomaizigna noho ny raharaha Herôdiasy (vadin'i Filipo ralàny), satria nalainy vady le vevavy.18Fa Jaona niteny an'i Heroda hoe: "Tsy araka ny lalàna ny hanambadenao ny vadin'ny ralànao." 19 Fa sosy tamin'azy Herôdiasy ka nikaraka ze hamonôny an'azy nefa tsy afaka, 20noho ny fahatahôran'i Heroda an'i Jaona; fantany fa ôla-marina sy feno famasinana izy,ary niaro an'azy izy. Nanahiran-tsaigna an'azy ny fandrignesana an'azy, kanefa mbôla nitandregny an'azy tami-pifalena izy.21Avy takeo nisy irika tamin'ny tsingerintaona nateran'i Heroda ka nagnano fanasana ho an'reo lebeny, sy 'reo mpifehiny ary 'reo mpitariky ny Galilia izy. 22De niditra ny efitragno fanasana ny zanaka vavin'i Herodiasy ary nandihy ho an'azy 'reo, ary nafinaritra an'i Heroda sy 'reo vahiny nantsovina tamin'ny finanana izy. Ozy ny mpanjaka tamin-drazazavevavy hoe: "Angatao aminà ze ra tenao de ameko an'nao zany."23Ary niozogna tamin'azy izy nagnano hoe: "Na ino na ino angatahanao aminà, de ameko an'anao, atramin'ny antsasaky ny fanjakako." 24De nivôka izy ary niteny tamin-dreniny izy hoe: "Inona no tokony angatako amin'azy?" De ozy ny 'reniny hoe: "Ny lôn'i Jaona mpagnano Batisa" Teo no ho eo de niverigna taigny amin'ny mpanjaka izy, ka nangataka, nagnano hoe: "25 Teko omenao anà, zao de zao, akeo ambony vilé ny lôn'i Jaona mpagnano batisa."26Na de nampalaelo mafy ny mpanjaka aza zany, de tsy afaka nandà ny fangatany izy nony fenianana nataony sy nony 'reo vahininy nasaina tamin'ny finanana.27Nony zany de nandidy miaramila tokana avy tamin'ny mpiabina ny mpanjaka ary nandidy an'azy itondra ny lôn'i Jaona ho akeo amin'azy. Lasana le mpiambina ary nanapaka ny lôn'i Jaona takao an-dragnomaizigna.28 Nindesiny takeo ambony vilé ny lôny ary natolony an-drazazavevavy, ary le vevavy nanolotra an'zany an'reniny. 29 Rafa naheno zany 'reo mpianany, de tonga zareo ary naka ny nofony ka nametraka an'zany takao am-pasagna.30Niverigna taigny amin'i Jesosy 'reo apostoly ary nitantara tamin'azy ze daôly vitanjareo sy nampianarinjareo.31Ary ozy Izy taminjareo: "Ndao tsika ho aigny agn'efitra ka iala reraka kely." Fa betsaka ny ôla no nivezivezy,ary tsy nanam-potôna hinanan-kanina avy aza zareo. 32 De nande an-tsambokely zareo mba ho aigny amin'ny tany fôgna.33Fa zareo natazagna an'azy 'reo nande ary betsaka no nafantatra an'azy 'reo, de niara-niazakazaka an-tongotra avy taigny amin'ny tanàna daôly zareo, ary tonga takeo talônjareo.34 Rafa tonga tary amin'ny morony zareo, de natazagna vahôka betsaka Izy ary nalahelo an'azy 'reo Izy satria ôtran'ny ondry tsy managna mpiambina zareo. ka nanomboka nampianatra ra betsaka an'azy 'reo Izy.35Ary rafa hariva ny andro, de nagnatona an'Azy 'reo mpianany ka nagnano hoe: "Tôrana fôgna ty ary ny andro efa madiva hariva sady. 36Alefao zareo mba handehanany aigny am'reo vohitra sy tanàna magnodidina hividy ahanina ho an'ny tegnanjareo."37Fa namaly Izy ka nagnano taminjareo hoe: "Ameo ra hoanina zareo". De ozy zareo tamin'azy hoe: "Afaka mande ary mividy mofo azon'ny denaria roanjato ma zahay ka agnome an'zany an'zareo hoanina?". 38De ozy taminjareo hoe: "Firy no mofo anagnanareo?" Mandehana ary tazagno" Rafa itany de ozy zareo hoe: " Mofo dimy sy azandrano roa."39De nandidy ny ôla daôly mba hipetraka mitsitokotoko takeo amin'ny atra-maitso Izy.40De nipetraka an-tokony zareo, an-tokony zato sy dimampolo. 41Naka an'reo mofo dimy sy azandrano roa Izy,nendrandra ny lagnitra de nisaotra ka nizarazara ny mofo ary natolotra an'zany tam'reo mpianatra mba amena akeo agnolônan'ôla. Nozarainy iany kô ny azandrano roa ho an'izy daôly.42De nihinana avoko izy daôly nandra-pahavoky an'azy 'reo. 43Nalainjareo ny sombitsombina mofo, zay nafeno roambefolo karapaka mitafotafo, ary kô ny ambin'reo hazandrano.44 Nisy dimy arivo ny leila ninana ny mofo.45takeo nikeo de nasainy niakatra agnaty an-tsambokely reo mpianany mba melôha ananjy egny am-pita, oankaigny Betsaida,ra nampody vaôka Izy46 Rafa lasana zareo, de niakatra tagny an-tanety Izy mba hivavaka .47 Tonga ny hariva, ary efa takeo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, fa izy rerika no tegny an-tanety.48Ary tazagny fa sahirana mafy zareo nive ny sambokely, satria nanohi-drivotra mafy zareo. Tokony ho tamin'ny ora fiemenana fahefatry ny de nankeo anjareo Izy, nandende tambony ranomasina, ary te handalo taminjareo izy. 49 Fa rafa natazagna anazy nandende tambony ranomasina zareo, de neverinjareo hoe angatra Izy de niekeka zareo,50 satria natazana Anazy zareo de raikitahatra. teniteo de niteny tanjareo Izy ka niteny anjareo hoe: "Matoky!Za ihany ty!aza matatra!"51Ary nitsofoka tan-tsambokely niaraka taminjareo Izy, de togny ny rivotra tsy nitsoka intsony. Nidagnaka tateraka zareo.52 Ary tsy mbô azonjareo veroka ny dikan'le mofo, fa kosa nihamafy ny fonjareo.53Rafa tafapita zareo, de tonga takao Genesareta zareo de nitoby takao.54 Ary rafa nidigna tamle sambokely zareo, tonga de nafantra Anazy dahôly ôla tao, 55ka nihazakazaka nagnarana faritra daôly zareo ary namboka nitondra ny marary tamin'ny fandrenany tagny amin'ze naregny anze misy Anazy.56fa na taiza na taiza nandanany, na tanam-be na tam-banivohitra ndrindra, de napetrak'izareo tambenja ny marary. Nengavy Anazy zareo mba hikitika ny rambon-dambany,ary reo ze nikitika Anazy de betsaka no salama.
Chapter 7

1Ireo fariseo sy ny mpanoradalana sasagny ze avy aigny Jerosalema de tonga niangona nagnodidina an'Azy.2Ary tazan'jareo ny mpianany sasagny nihinana mofo tamin'ny tagnana maloto, zany hoe, tsy vôsasa . 3(Fa ny fariseo sy ny jiosy daôly de tsy mba mihinana raha tsy efa nanasa tagnana zareo, satria magnaraka ny fombofomban'ireo loholona.)4Ary rafa miverigna avy aigny an-tsena ireo Fariseo, de tsy mihinana zareo ra tsy avy mandro ary mitandrina fomba maro hafa fatratra zareo, ôtrany ny fagnadiovana ny kapoaka sy ny famarana, sy fanaka varahina, ary ny fandrena izay ihinanan'jareo.)5Ireo Fariseo sy ny mpanoradalana nagnotany an'i Jesosy hoe: "Nanakôry ny mpianatrao no tsy mande araka fombafombandreo loholona, fa minana ny mofon'jareo amin'ny tagnana tsy vôsasa?"6Nefa hoy Izy tamindreo: "Isaia naminagny tsara momba nareo mpiatsaravelatsia. Nosoratany hoe: Ty vahôka ty magnaja Ana amin'ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ana.7Fôgna ny fivavahana atolotry zareo Any, ra mampianatra ny fitsipik'ôlombela ho fampianaranjareo.'8Afoinareo ny didin'Andriamanitra ka tagnanareo mafy ny fomban' ôla. "9 Ary ozy ihany kô Izy taminjareo:" Salan'ny manakôry ny fagnarenareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremagnareo ny fomban-drazanareo!10Fa ozy Mosesy: 'Magnajà ny rainao sy ny reninao,' ary kô, 'Zay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny de ho foaty tokô.'11Kanefa ianareo miteny hoe: 'Ra misy leila raika miteny ny rainy sy ny reniny hoe: 'N'ino n'ino tenao ho azo tamina de efa Korbana,''' (izany hoe: 'Nomena an'Andriamanitra') 12de tsy avelanareo hagnano n'ino n'ino amin'ny rainy sy ny reniny ntsony izy.13Magnafoagna ze taravin'Andriamanitra nareo noho ny fomban-drazanareo ze notagnanareo. Ary ra maro sahala amin'izany ko no ataonareo."14Ary nagnatso ny vahôka ndre Izy ka niteny taminjareo hoe: "Meno Ana, nareo daôly, ka fantaro.15Tsy misy ra avy avelagny miditra akao agnatign' ôla ka afaka mahaloto anazy daôly miditra akao aminy. Fa ze mivôka avy akao agnatign' ôla no mahaloto anazy."16[Ny fandikana tsara indrindra de tsy magnisy ny andininy faha 16: Ra misy magnan-tsofigna enona, aoka izy eno.]17Ary rafa niala takeo amin'ny Jesosy ka niditra akao an-tragno, ny mpianany nagnontany Anazy momba an'le fagnoharana.18Ozy Jesosy taminy: "Ianareo kô ve mbola tsy magnana fahalalana? Tsy tazagnareo va fa ze miditra akao agnatign' ôla avy akagny ivelagny de tsy mahaloto anazy,19satria tsy afa-miditra akao am-pony zany, fa akoa an-kibony ihany ka mivôka akagny amin'ny fivoana?" Tamin'izany fanambarana zany de nahatonga ny anina daôly ho madio i Jesosy.20Ozy: "Ze mivôka avy akao amin' ôla no mahaloto anazy. 21Fa avy akao agnatign'ôla, avy akao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, ny fahavetavetana, ny famonon'ôla,22ny fijangajangana, ny fitsiriritana, ny haratsiam-pagnahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny hadalana. 23'Zany ra-ratsy daôly zany no mivôka avy akao agnatign' ôla, ary reo no mahaloto anazy."24Niala takeo Izy nande tany amin'ny faritry ny Tyro sy Sodona. Niditra takao an-tragno Izy ary tsy teny ho fantatr'iza na iza fa takao Izy, kanefa tsy afaka nisitrika.25Kanefa niaraka tamin'izay de nisy vevavy raika, izay nisy fagnahy maloto raika ny zanagny vavy kely, naeno ny aminy, tonga, ary niankotra takeo an-tongony . 26Ary Grika le vevavy, Syro-foinika no niaviany. Niangavy Taminy izy mba hamôka ny demonia hiala amin'ny zanagny vavy.27Ozy taminy: "Aoka amena anina aloha ny zaza. Satre tsy manjary ny maka ny mofon-jaza ka manipy agnazy ho an'ny amboa."28Nefa namaly izy ka nagnano Taminy hoe: "Eny, Tompo, fa na ny amboa akao ambany katabatra aza dia mba omana ny potopotogny amin'ny mofon-jaza."29De Ozy taminy: "Noho izany teninao zany, afaka mandeha enao. Efa nivôka tamin'ny zanakao vavy ny demonia".30Ary ra niverigna tagny an-tragnony ravevavy de tazagny ny zaza natory takeo ambonin'ny fandrena, ary ny demonia efa niala.31Ary Jesosy nivôka ndre niala ny faritry Tyro, de namaky an'i Sodona hatrany amin'ny Ranomasin'Galilia ka niakatra ny faritry Dekapolisy.32Ary nidesin'jareo takeo Aminazy ny ôla iray maregnina sady talelaka, ary nitalao Taminy zareo mba hametrany ny tagnana aminy.33Nindesiny le leila nitokana niala takeo amin'ny vahôka Izy, de nametraka ny ratsa-tagnany tagnaty sofiny Izy, ary de nandrora izy sady nikasika ny lelany.34De nitraka nitazagna lanitra, de niseto ka nagnano taminy hoe: "Efata," 'zany hoe: "Maladia!"35Ary vetiketika teo ny sofiny de naeno, ary ze namatotra ny lelany de potika ary afaka nitare mazava tsara izy.36Ary Jesosy nandrara anjareo tsy hiteniteny na amin'iza na amin'iza. Kanefa na de nangavena aza zareo, vao maika namparitaka izany bebe koko. 37De varena tanteraka ny ôla, ka niteny hoe: "Nataony tsara daôly ny ra daôly. Nataony maeno ko ny maregnina ary miteny ny moagna."
Chapter 8

1Tamin'izany andro zany, de nisy vahôka betsaka ndray, ary tsy nanan-kohanina zareo. De nagnantso ny mpianany Jesosy ary nitare tamin'jareo hoe: 2" Mafiraigna Ana reo vahôka, satria efa telo andro zareo no nanohy niaraka tamina ary tsy manan-koanina. 3Ra asaiko mody aigny andragnony tsy mihinana zareo, de mety ho safotra an-dalana. Ny sasagny amin'jareo de avy aigny an-tany lavitra.4 Namaly an'Azy reo mpianany hoe:" Aiza no hahazoantsika mofo ampy hamokisana reo vahôka reo aty an-tany fogna ôtran'izao?"5Nagnotany an'jareo Izy hoe: "Firy Ny mofo anagnanareo"? Ozy zareo hoe: "Fito" Nandidy ny vahôka mbo hipetraka amin'ny tany Izy. Noraisiny ny mofo fito, de nisaotra Izy, ary nanapaka an'reo.6Natolony ny mpianany zany mbo ho zarain-jareo amin'ny vahôka, ary napetrak'izareo takeo agnolon'ny vahôka zany7Ary mbôla nanagno hazandrano kely vitsivitsy ihany kô zareo, ka rafa avy nisôtra an'jareo Izy, de nandidy an'jareo mpianatra mbô handroso an'izany kô Izy.8De nihinana ry zareo ka voky, ary nalain-jareo ny sombitsobiny tavela, ze nafeno karapaka fito geda.9Tokony ho efatrarivo takeo ho eo ny ôla tamin'izany. Avy takeo nalefany nody ry zareo.10Avy hatraigny de niakatra tao an-tsambokely niaraka tamin'reo mpinany Izy, ary nande nankaigny amin'ny faritr'i Dalmanota ry zareo.11De nivoaka reo fariseo ary nanomboka nifamaly taminy. Nikaraka famantarana avy aigny an-dagnitra taminy ry zareo, mbô hitsapana an'Azy.12Nisento mafy teny amin'ny fanahiny Izy ary nitara hoe: "Nanakory no mikaraka famantarana ity taranaka ity? Nefa lazaiko marina aminareo, fa tsy misy famantarana amena an'ity taranaka ity zany."13Avy takeo de nandaosa azy reo Izy, niakatra takao agnaty sambokely ndray. Ary niala lavitra taigny am-pita.14Ary tsy tadidin'ny mpianatra ny nitondra mofo niaraka tamin'jareo. Tsy nanagna meôtra ny tokana zareo takao agnaty sambo.15De nampitandrina an'jareo Izy ka nitaraviny hoe: "Miambena ary mitandrema amin'ny masirasir'ireo Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda"16De nifagnotany tegna ny mpianatra hoe: "Nony ntsika tsy managna mofo ma izany."17 Fantatr'i Jesosy zany, ary ozy Izy tamin'jareo hoe: "Nanakory ny amin'ny tsy fanagnana mofo ny fisaignanareo? Mbôla tsy azonareo ma? Mbôla tsy takatrareo kô? Nanjary donto ma ny fonareo?18Magnana maso nareo, fa tsy matazagna nga? Magnan-tsofigna, fa tsy maregny nga? Tsy tadidinareo nga?19Rafa nanapaka ny mofo dimy ho an'ôla dimy arivo Za, de karapaka firy feno sombitsombina mofo no nangoninareo? Ozy zareo taminy hoe: "Roambefola"20Rafa nanapaka ireo mofo fito hoan'ôla efatrarivo Za, firy karapaka ny ambiny nangoninareo? Ozy izy tamin'jareo hoe: Fito."21Ary ozy izy hoe: "Mbôla tsy takatrareo ihany ma?22Tonga taigny Betsaida ry zareo. Ary nisy jamba raika nentin'ôla takeo aminy ary niangaven-jareo Jesosy mbô hikasika an'azy.23Nentin'i Jesosy tamin'ny tagnana le jamba, ary mitarika an'azy nivoaka ny tanana. "Rafa nandrora tamin'ny masony Izy ary nametraka ny tagnany tamin'azy, de nagnotany na'azy izy hoe: Matazagna ra ma enao?24De nitraka izy, ka nitaraviny hoe: Matazagna ôla ôtra ny kakazo mandehandeha za".25Napetak'i Jesosy tamin'ny masony ndre ny tagnany ary nahiratra le leila ny masony, de niverigna tamin'ny laoniny ny fahitany, ary natazana mazava tsara ny ra daôly izy.26De nalefan'i Jesosy nody izy ary notaraviny hoe: "Aza miditra akao an-tanana"27Nande nivôka Jesosy sy ny mpianany nankaigny an-tananan'i Kaisaria Filipo. Taigny an-dalana de nagnotany an'ireo mpianany Izy hoe: "Ataon'ny ôla hoiza ma Za? 28Namaly an'Azy zareo ka nitaraviny hoe: Jaona mpagnano Batisa. Ny sasagny mitara hoe: Elie, ary ny sasagny hoe: Raika amin'ireo mpaminagny".29Nagnotany an'jareo Izy hoe: "Fa ianareo kosa magnano Ana ho iza? "De ,namaly an'azy Petera hoe: "Enao no Kristy." 30Nampitandrina an'jareo Jesosy tsy hilaza ny momba an'Azy na amin'iza na amin'iza.31Nanomboka nampianatra an'jareo Izy fa tsy maintsy hijaly ny zanak'ôla ary ho lavin'ny lohola sy ireo mpisorogna ary ny mpanora-dalàna, ary hovonona, ka hitsangna aminn'ny maty afaka telo andro.32Nolazainy mazava tsara zany. Avy akeo nantsoin'i Petera mangingina Jesosy ka nanomboka nitare mafy an'Azy.33Kanefa nierika Jesosy de nitazagna ireo mpianany ary avy akeo nitare mafy an'i Petera ka nagnano hoe: "Miala lavitra Ana, ry satana! tsy mbô misaina ny ran'Andriamanitra enao, fa ny ran'ôla."34Avy akeo de nagnantso ny vahôka sy ny mpianany niaraka Izy, Ary ozy izy tamin'jareo hoe: "Ra misy te hagnaraka Ana, de tsy maintsy mandà ny tegnany izy, maka ny hazo fijaliany, ary magnaraka Ana.35Na iza na iza te hamonjy ny aignany de hahavery zany, ary ze mavery ny aignany noho Za sy ny filazantsara de mavonjy zany.36Fa ino nefa ny tombotsoa azon'ôla tokany, ra mahazo izao tontolo izao, ary avekeo very ny aignany? 37Ino no afaka amen'ôla raika ho takalon'ny aignany?38N'iza n'iza megnatra Ana sy ny teniko, aketo amin'ity taranaka mijangajanga sy mpagnota ity de ho megnatra an'azy kô ny zanak'ôla rafa tonga akao amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amireo anjely masina Izy
Chapter 9

1Ozy Izy taminjareo: ''lazaiko aminareo marina tokoatra, fa misy aminareo ze mitsangana aketo no tsy hagnandrana zany fahafatesana zany mialô ny hahitan' izy reo ny fanjakan'Andriamanitra ze ho avy amin'ny hery lehibe.'' 2Ary enina andro taty afara, de nindesin'i Jesôsy niaraka taminy i Petera sy Jakoba ary Jaona taigny amin'ny tanety ambo ary zareo rerika no taigny, Avekeo niova tare teo agnatren'jareo Izy. 3Ny fitafeny niova mangilangilatra no sady mazava ary fotsy, fotsy miôtra ny raha nofotsena aketo ambon'ny tany.4Avy akeo Elia sy Mosesy niseo taminjareo, ary niresaka tamin'i Jesosy zareo. 5Petera namaly ka niteny tamin'i Jesosy hoe: "Raby o! tsara raha mipetraka aketo tsika, ka andao agnano lay telo, ny raika ho Anao, ny raika ho an'i Mosesy, ary ny raika ho an'i Elia." 6(Fatsy tsy fatagny ze ra lazainy satria natatra mafy zareo.)7Nisy rôndro tonga ka nanarogna an'Azy reo. Ary nisy feo nivoka avy tao agnaty rôndro hoe: " Ty ny Zanako Malalako, mihainoa an'Azy.'' 8Tampoka teo, raha nizaha ny magnodidigna zareo, de tsy naita na iza na iza mitsy, afatsy Jesosy rerika fogna.9Ra nidigna avy taigny antanety zareo,de nafarany mafy mba tsy ilaza na amin'iza na iza ny raha anjareo, raha tsy efa mitsangana amin'ny maty ny Zanak'Ola. 10Ary de notanan-jareo zany teny zany, nefa nifampagnotany reo ny amin'ny mety dikan'zany " Fitsanganana amin'ny maty" zany.11Nagnontany an'Azy izy reo hoe: "Nagnino reo mpanora-dalána no nilaza fa tsy maintsy ho avy mialô Elia?'' 12De ozy Izy taminjareo hoe: "Efa tonga vôalôny Elia hagnarina ny zavatra rehetra. Ary nagnino no vosoratra fa ny Zanak'Ola de hijaly mafy amin'ny raha maro ary atao ôtran'ny ôla tsisy dikany. 13Nefa lazaiko aminareo fa efa tonga Elia, ary nataon'ny ôla tamin'Azy ze sitraky ny fony, araka ze efa vôlazan'ny Soratra Masina momba an'Azy.''14Ary rafa niverigna teo amin'ny mpianatra zareo, de naita ôla betsaka nagnodidigna an'azy reo ary reo mpanora-dalãna niady hevitra tamin'Azy. 15Raha vao nahita an'i Jesosy zareo de gaga ny vaôka rehetra ary raha igny niazakazaka nagnatogna an'Azy igny zareo de niarahaba an'Azy. 16Nagnotany reo mpianany Izy hoe: "Momba ny ino no iadivanareo evitra amireo."17Ary nisy raika tamireo vaôka namaly an'Azy hoe: "Mpampianatra ô, nentiko aketo aminao ny zanako lahy. Misy fanahy ratsy tsy mampiteny an'azy izy. 18Misambotra an'azy io ka mandavo an'azy ary mandô vory izy manidy nify ary lasa nihinjitra izy. Nangataka tami'reo mpianatrao za mba amoka an'zany iala amin'azy, kanefa tsy vitan'izy reo zany. 19Ary namaly an'izy reo Izy hoe: '' Ry taranaka tsy mino,mandra-pahoviana no hipetrako aketo aminareo? Mandra-pahoviana no handiferako aminareo? Ento mankaty Amiko izy.''20Ary nentina takeo amin'Azy le gaogna lahy ary raha vao natazagna an'i Jesôsy le fanahy ratsy de nampifaninjitra an'azy zany. Lavo tamin'ny tany le gaogna lahy ary feno rora ny vavany. 21Jesôsy nagnontany ny dadany hoe: ''' Hatramin'ny ovena no nahatoy zao an'azy? De ozy le dadany: ''Efa hatramin'ny fazazany''. 22Indraindray io fanahy ratsy io mandavo an'azy taigny agnaty afo na aigny agnaty rano ary nagnandrana ny hamotika an'azy''. Ra mahay magnano ny raha rehetra Anao de miantrà anay ary ampeo zahay .''23Jesôsy niteny tamin'azy hoe: ''Raha mahay anao? 24Ny raha rehetra de hain'ze mino.Ary niaraka tam'zay ny dadan'le zaza de niaika mafy nagnano hoe: ''Mino zà! Ampeo za amin'ny tsy-finôko.'' 25Rafa hitan'i jesôsy reo vaôka niazakazaka nagnatogna an'Azy de nitineniny mafy le fanahy maloto ary nagnano hoe: '' Ry fanahy môgna sy maregnina, mandidy anao Zà, mivoà amin'azy ary aza mivergna akao amin'azy intsony.26Niaika mafy izy ka nampifanintogna mafy an'le gaogna lahy ary avy takeo de nivôka. Ary ôtran'ny ôla maty le gaogna lahy, ka maro no nitare hoe: ''Maty izy.''27Fa Jesôsy nandray anazy tamin'ny tagnana ka nagnarina anazy de nitsangana le gagna lahy.28Ary rafa niditra tan-dragno Jesôsy, de nagnontany Anazy manokana reo mpianany hoe: '' Nagnino zahay no tsy mahavôrôka le fanahy ratsy.'' 29Ozy Izy taminjareo hoe: '' Ny ôtran'reny de tsy oza roasina afa-tsy amin'ny alaln'ny vavaka.30Niala takeo zareo ary nandalo taigny Galilia. Tsy teny ho fantatr'iza na iza hoe: '' Taiza zareo''. 31Fa nampianatra ireo mpianany Izy, hoy Izy taminjareo hoe:''. Ny Zanak'ôla de atolotra eo an-tagnan'ôla ka hovonon'jareo Izy. Ary rafa maty Izy de hitsangan amin'ny maty ndre afaka telo andro.'' 32Fa tsy takatrizareo io fagnoharana io, ary natatra zareo hagnontany Anazy.33Avekeo tonga tao Kapernaomy zareo. Rafa avy niditra tao an-dragno Izy de nagnontany anazy reo hoe: ''Ino ny rà nikoraginareo taigny an-dàlana?'' 34Fa nangigna zareo satria efa niady hevitra taigny an-dàlana zareo ny amin'izay ho lehibe. 35Nipetraka de nagnantso reo rombefolo là niaraka Izy ary nitare taminjareo hoe: '' Ra misy te ho vôlôny, de tsy maintsy farany amin'ny dahôly izy ary ho mpanompon'ny daôly.''36Niaka zazakely raika Izy ary nataony teo am-povôn-jareo. Nibotrony teo an-tsandriny izy ary nitare tamizareo hoe: 37''Na iza na iza maka zaza ôtran'zao amin'ny Agnarako,de mandray Anà kô, ary ra misy mandray Anà de tsy mandray Anà rerika Izy, fa le nagniraka Anà kô.''38Ozy Jaona taminazy hoe:'' Mpampianatra ô! nahita ôla namôka demonia tamin'ny Agnaranao zahay ary noraranay izy satria tsy miaraka amintsika.'' 39Fa Jesôsy nagnano hoe:'' Aza mandrara anazy fa tsisy ôla hagnano asa leibe amin'ny Agnarako nefa vetiketika akeo de hilaza ra ratsy momba Anà izy.40Na iza na iza tsy manoitra antsika de miaraka amintsika. 41Na iza na iza magnome rano an'nao eran'ny tasy hosotroina satria an'i Kristy anao, de lazaiko aminao marina tokôtra fa tsy ho very ny valim-piteny.42Fa na iza na iza matafitona ny raika amin'reo kely mino Anà reo de tsara ho anazy ny hagnantognana vato be fivelezam-bary mifatotra amin'ny hatony ary aroboka aigny agnaty ranomasina. 43Ra ny tagnanao no mahatonga an'nao ho tafintona, tapao zany fa tsara aminao ny miditra kilemaina aigny amin'ny fiainana toy izay magnana tanan-droy ary hande amin'ny helo any amin'ny afo tsy maty vonòna. 44[ Fanamarinana: Ny fandikana tsara indrindra de tsy manisy fehezan-teny amin'ny andininy faha 44 sy 46 hoe: ze tsy maty mihintsy ny kankanzareo ary ny afo tsy ho foaty mandrakizay.'']45Ra ny tongotrao no manafitòna an'nao,tapao zany.Tsara koko aminao no miditra bingo aigny amin'ny fiainana noho ny managna tongotra rôy ary arena aigny amin'ny helo. 46[Jereo ny fanamarinana ao amin'ny andininy faha 44].47Ra ny masonao no matafitoina an'nao,alao hiala zany. Tsara aminao ny mdiditra ny fanjakan' Andriamanitra miaraka amin'ny maso tokana toy izay maso roy nefa arena aigny amin'ny helo, 48aigny amin'ny toerana izay tsy mahafaty ny kankan'zareo ary amin'ny afo tsy mety vonoina.49Fa ny ôla dahôly de samy voasira amin'ny afo. 50Tsara ny sira fa ra ny sira no tonga matsatso, ahôna no hafahanao mampamasina anazy ndre, Aseo sira akao aminareo ary miavàna amin'ny tsiraikaraika.''

Chapter 10

1Niala takeo amin'zany tôrana zany Jesôsy ary nande taigny amin'ny faritan' i Jodia sy taigny amin'ny faritra amban'i reniranon'i Jordana;ary nankeo aminy ndre ny vahôka. Ary araka ny fataony , de nampianatra anjareo ndre Izy;2 De nagnatogna anjareo ny fariseo mba hitsapa Anazy ka hagnontany hoe: " Ara-dalàna ho an'ny leila va ny misara-bady?" 3Namaly Izy hoe: Ino ny baikon'i Mosesy aminareo?"4 De ozy zareo hoe:" Mosesy de namela ny leila hisara-bady raikana hanoratra taratasy fanamarinana fisaraham-bady ary hamela ananjy avekeo.5"Ozy Jesôsy taminjareo hoe: " Non'ny hamafisan'ny fonareo no nanoratany ho anareo zany lalàna zany. " 6Fa taigny amin'ny fanombona famoronana, Andriamanitra nagnano anjareo ho leila sy vevavy".7Amin'izany antony izany de hiala ny ray sy ny renoiny ny lahy ka hikambana amin'ny vadiny 8ary hanjary nofo raika zareo ndroy. Ka tsy ho roy intsony zareo fa ho nofo raika iany.9 Ko ze nakamban'Andriamanitra, de ôka tsy saran'ôlombela."10Ary rafa tao an-tragno zareo de mbola namerigna nagnontany ndre zareo,11 Ozy taminjareo hoe: "N'iza n'iza leila misaraka amin'ny vadiny ka miaka vaiavy afa de mijangajanga.12 Ra misaraka amin'ny vadiny ny vavy ka manambady leila afa de mijangajanga izy"13Avekeo zareo de nitôndra ny zanak'i zareo takeo Aminy mbô ametrany tagnana, fa gnagnavy taminjareo ny mpianany. 14Fa rafa natazagna anzany Jesôsy de sosy mafy de nitare taminjareo hoe:" Avilay ny zaza hagnatogna Anà ary aza sakanana zareo fa ny fanjakan'Andriamanitra de an'ôla ôtranjareo".15Lazaiko aminareo marina tokôtrany, n'iza n'iza tsy mandray ny fanjakan'Andriamanitra salan'ny zaza kely de tsy hiditra amzany velively.16 Avekeo de nibotrony reo zaza reo ka notsofony rano sady nametrany tagnana.17Ary rafa nanomboka ny deny Izy, de nisy leila nezakazaka nendohalika takeo agnatreany, ary nagnotany hoe: "Ry Mpampianatra tsara ô! Ino tsy maintsy ataoko mba handovako ny fiaignana mandrakizay?"18 Jesôsy nagnotany hoe: " Manakôry ma no antsovinao hoe: Tsara Za?19 Fantrao ny didy hoe: Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mijo vavolombelona mandainga, aza mamitaka, hajao ny raiano sy ny reninao."20De ozy le leila hoe: " Mpampianatra ô, efa narahako atramin'ny fatanorako daôly reo daôly reo". 21Nitazagna anazy Jesôsy de te anazy ary ozy taminy hoe:" Misy ra banga raika akao aminao. Tsy maintsy amidinao daôly ny fanagnanao ary ameo ny mahantra zany, de hagnana harena agny an-dagnitra ianao. AVekeo magnarà Ana". 22Fa noizany filazany zany de nalaelo izy ka nande nagasiasy satria nagnana fanagnam-be tokôtra izy.23Mitazagna ny manodidigna anazy Jesôsy ary notaraviny tamreo mpiagnany hoe: "Tegna sarotra hoan'reo manankarena be ny miditra ny fanjaka'Andriamanitra" 24De gaga tamin'ny teniny ny mpianatra, ozy ndre Jesôsy taminjareo hoe:" Anaka, sarotra ny fdiragna akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25Mora kokoa ho an'ny rameva no miditra amin'ny vodi-fanjaitra nohon'ny hidiran'ny mpanakarena be akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.26De mbola gaga ndre ny mpiagnatra ary de nifagnontany zareo hoe:" Iza zany no afaka vonjena?"27 Nitazana anazy reo Jesôsy ary ozy hoe:" Tsy vitan'ôla zany fa vitan'Andriamnitra satri ny ra dahôly de hain'Andriamanitra hatao"28 De nagnomboka nitare taminazy ndre i Petera hoe:" Tazagno, zay reto de nafoy ny ra daôly ary nagnaraka An'nao."29Ary ozy Jesôsy: "Lazaiko marina aminareo,tsy misy olona mandôsa ny tranony na ny ralainy na ny ravaviny,nany zagnany, na ny taniny noho ny Aminà sy ny Filazantsara, 30ka tsy hahazo avy zatoeny amin'izao taonjato ankeitriny izao. De trano, rahalahy,rahavavy,reny,zanaka sy tany miaraka amin'ny fagnenjena,ary amin'ny taonjato hoa avy de fiaignana mandrakizay. 31Fa betsaka ny vôlôny no lasa farany ary ny farany lasa volôny."32Taigny an-dalana zareo ra niakatra ho agny Jerosalema ary Jesoŝy nande nelô anjareo. Gaga reo mpiantra, ary re ze nagnaraka Ananjy tafara de natatra. Nantsovin'i Jesôsy hankeo Aminazy ndre izy rombefolo ary de nanomboka nilaza ra hihatra Aminazy tsy ho ela Izy. 33Tazagno, miaraka agny Jeosalema tsika zao,ary ny Zanak'olona de atolotra ny Mpisonabe sy ny Mpanora-dalàna. Hoelonjareo ho faty Izy ary atolony ny Jentilisa. 34Reo de hagneso Anazy,handrora Anazy,Handaroka Anazy sy hafaty Anazy. Fa afaka telo andr de hitsangana amin'ny maty Izy.35Jakoba sy Jaona,zanak'i Zebedio, nagnatona Anazy ary ry nitare Taminazy hoe: " MPampianatra ô! mba tenay ra mba ataonao ze angatahanay daôly Aminao." 36De Ozy taminjareo hoe: " Ino tenareo ataoko aminareo?" 37Ozy zareo hoe: Avelao zay hiaraka hipetraka Aminao akao amin'ny voninahitrao, ka ny tokana an'tagnana ankavanana ary ny tokana ankeo ankavenao"38Fa Jesôsy namaly anjareo hoe: " Tsy fantatrareo ze angatahanareo, agnareo ma afaka misotro amin'ny kapoaka ze hisotroko na hiaritra ho hatao batias amze hagnanovana Ana?"39 Ozy zareo taminy hoe: " Vitanay zany." Ary nitare taminnjreo Jesôsy hoe: "Ny kapôka ze sotroko de ho sotronareo ary amin'ny batisa ze agnanovana batisa Ana,no hagnanovana batisa an'nareo kô, 40Fa ze hipetrahako akeo an-tagnana an-kavanako na akeo an-kaveko kosa de tsy miankina Amina zany, fa zany de hoan'jareo ze nagnomagnana anzany.41Rafa naregny ny momba anzany zareo mpiantra folo hafa, de nanomboka sosy lôtra tamin'i Jakoba asy Jaona. 42Nantsovin'i Jesôsy nankeo Aminazy zareo ary nitaraina hoe: " Fantatrareo va reo ze hiverigna ho mpanapaka ny Jentilisa de mpanomponjareo ary ny lehibe mpifehy anjareo de magnampatra fahefana aminjareo.43Fa tsy tokony ôtranzany ny aminareo, fa n'iza n'iza magniry ho lohagny aminireo de izy no ho mapanomponareo, 44ary n'iza n'iza magniry ho volôny aminareo de ôka izy andevonareo daôly. 45Fa ny Zanak'ôla tsy tonga mba hotompoina fa hanompo, sy hanolotra ny aignany takalon'ny aignan'ny maro.46nga takao Jeriko zareo, rafa nivôka ny tanàna niaraka tamin'ny mpiagnany ny vahôka betsaka Izy, ny zanak'i Temeo, Bartimeo ze mapangataka sady jamba, no metotra amoron-dàlana,47 Rafa naregny izy fa Jesôsy avy agny Nazareta zagny de nanomboka ny niekeka mafy izy ary nitare hoe: " Ry Jesôsy zanak'i Davida ô,mamindrà fô amina"! 48"Betsaka sosy tamle jamba, nitare taminy mba hangigna fa vao maika izyy nikeka mafy hoe:" Ry zank'i davida ô!,mamindrà fô amina!"49De nanangana Jesôsy ary nagantso anazy hoe: Antsovinareo le jamba ary nitaravina hoe:" Mahereza! Mitasangànan magnantso anao Izy, 50Nareny ny lambany ary ka nankeo amin'i Jesôsy Izy.51Denamaly anazy Jesôsy ary nitare hoe: " Ino ma tenao ataoko aminao? Ozy le leila jamba hoe:"Raby ô, te hahita za" 52Ary ozy Jesôsy taminanjy hoe:" Mandehana, ny finoana no nahavonjy anao." De natazagna niaraka tamzay ny masony ary niaraka nagnaraka an'i Jesôsy taigny an-dàlana izy.
Chapter 11

1Ary ra nande taigny Jerosalema zareo de nagnakeky an'i Betifaga sy Betania, aigny an-tendrombohitra Oliva, ary jesosy nagniraka rôy tam'ireo mpianany,2ary niteny taminjareo hoe: "Mandeana amin'irÿ tanàna kely hitantsika irÿ. Ra vô tafiditra akao nareo de hatazagna zana-boriky raika mbola tsisy nitikinan'ôla. Vahao izy de ndeso mankaty Aminà.3Raha misy ôla mitare aminareo hoe: 'Magnino anareo magnano an'zao?' De ataovo hoe: 'Misy ra ilan' Tompo an'azy de averigna malaky aty izy. ''4De nande nivôka zareo de natazagna zana-boriky tokana mifatotra takeo avelagn'ny trano agnilan'ny varavaragna raika akeo amoron-dalana,de nivahanjareo ny tadiny.5Nisy ôla sasagny nitsangana takeo ary niteny taminjareo hoe: "Ino ty ataonareo mamaha an'io zana-boriky io?"6De nilazainjareo an'azy ny tenin'i Jesosy taminjareo, ary nalefan'ôla nande am'ze hombàny zareo.7Ary nindesin'ireo mpianatra rôlà takeo amin'ny Jesosy le zana-boriky de nataony takeo ambonin'zany ny lambanjareo ka afaka nitikina an'azy Jesosy. 8Betsaka ny ôla namelatra ny lambany taigny andalana,ary ny sasagny namelatra rantsana kakazo ze notapany avy taigny an-tsaha. 9Ireo ze nande avy talôny sy ireo nagnaraka an'Azy nagnantsoantso hoe: "Hosana! Deraina le tokana avy amin'agnaran'ny Tompo. 10Deraina ny fanjakana ho avin'i Davida raintsika! Hosana aigny amin'Avo indrindra! Hosana aigny amin'Avo indrindra!"11Avy takeo Jesosy niditra takao Jerosalema ka nankao an-kianjan'ny tempoly, ary nitazantazagna ny ra daôly. Ary efa nehariva ny andro, de nande nankaigny Betania Izy sy zareo rombefolo la. 12Ny andro tafaran'io, ra niverigna avy taigny Betania zareo, de nôna Izy.13Ary natazagna aviavy tokana nandravina avy tery alavidavitra, de nagnankeky Izy hizà ra misy vôny tamin'azy, ary rafa nankeo Izy, de tsy natazagna na ino na ino fa ravina fôgna, fa mbôla tsy fotona famoazan'ny aviavy tamin'io.14De ozy tamin'zany hoe: "Tsisy hinana ny vô tsony avy aminao mandrakizay." Ary ny mpianany naregny an'zany.15Nankaigny Jerosalema zareo, ary niditra takao an-kianjan'ny tempoly Izy ary nanomboka nadroka ny mpivarotra sy ny mpividy daôly takao. Naongany ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ireo mpivarotra voromelala. 16Tsyamela na iza na iza hitondra ra azo amidy hiditra ny kianjan'ny tempoly Izy.17De nampianatra an'jareo Izy ka niteny hoe: "Tsy efa vôsoratra va hoe: "Ny tragnoko de atao hoe tragno fivavana ho an'ny firenena daôlo'? Nefa nataonareo ho zohy fisitrin'ny mpangalatra." 18Regnin'ny lohan'ny mpisorogna sy ireo mpanoradalana ze nitineniny de nikaraka fomba hamonoana an'Azy zareo. Fa natatra an'Azy zareo satria ny vaôka daôlo gaga tamin'ny fampianarany.19Rafa tonga ny hariva, de niala ny tanàna zareo.20Ary ra nande zareo ampolakeka, de natazagna le aviavy nalazo mbam'pakany.21 Ary Petera natsiaro ka nitare hoe: "Raby ô!, tazagno! le aviavy nozognonao."22Jesosy namaly anjareo hoe: "Manàgna finôna an'Andriamanitra.23 Lazaiko aminareo marina tokôtra fa na iza na iza no miteny ami'ty tendrombohitra ty hoe: Mitsangàna ka midarabô agnaty ranomasina; ka ra tsisy fisalasalana akao ampony fa mino fa itranga aminazy ze nilazainy, de ôtran'zany no ataon'Andriamanitra.24Noho izany Za miteny aminareo, ze rehetra ivavanareo sy angatanareo , minoa fa efa nandray an'zany anareo, de ho azonareo zany.25Rafa mitsangana sy mivavaka nareo de tsy maintsy mamela ze alaelo daôlo anagnanareo na amin'iza na amin'iza, mbô avelan'ny Rainareo ze aigny an-dagnitra kô ny fahotanareo.26[Fagnamarinana: Ny fandikana tsara indrindra de tsy magnisy ny hoe (Jereo ao amin'ny Mat. 16: 15) MK.11: 26" Fa ra tsy mamela heloka kosa anareo, de tsy hamela ny fahotanareo mitsy ko ny Rainareo ze aigny andagnitra."]27De niakatra ho aigny Jerosalema ndre zareo. Aey ra nandende takao an-kianjan'Tempoly Jesosy, de tonga nagnatogna an'Azy ny lôndon'ny mpisoragna, ny mpanora dalana, ary reo lô ôla. 28Ozy zareo tamin'azy hoe: "Fahefana avy akaiza no agnanovanao regny ra regny, ary iza no nagnome an'naofahefanaagnano an'regny?"29Jesosy niteny taminjareo hoe: "Hametra fagnontanena raika aminareo Za. lazao Amina de ho lazaiko anareo hoe fahefana avy akaiza no agnanovako regny ra regny. 30Ny Batisan'Jaona, avy an-dagnitra ma zany se amin'ôla? Valeo Za."31fandinika niaraka zareo sady nifamaly sy niteny hoe: "Ra mamly tsika hoe: 'Avy akaigny an-danitra,' de hiteny Izy hoe: Fa nagnino ary tsy nino an'Azy anareo?' 32Fa ra mamaly kosa isika hoe: 'Avy amin'ôla,'...." Natatra ny ôla zareo, satria nagneky ny ôla daoly fa Jaona de mpaminagny tokôtra.33 Avy akeo namaly an'Jesosy zareo ka nagnano hoe: "Tsy hainay." De ozy Jesosy taminjareo hoe: "Za iany ko tsy hilaza aminareo hoe faefana avy akaiza no agnanovako regny ra regny."
Chapter 12

1Nanomboka nampianatra azy reo tamin'ny alalan'ny fanoharana Jesosy. Ozy izy hoe: "Leila nagnano tanim-goaloboka, nanisy fefy magnodidina izany, ary nandavaka famiazana. Nanangana tilikambo izy ary avy takeo nampanofa tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voloboka. De niala nande lavitra izy avy takeo. 2Tamin'ny fotoana majary, de naniraka mpiasa ho aigny ami'le mpamboly vôloboka izy mba hiaka amin'jareo ny sasagny amin'ireo ze tokony ho anjarany amin'ny vokatry le tanim-boaloboka.3 Fa nosamborin-jareo Izy, nitarôny, ary noroasiny tsy hitondra ninonino.Nagniraka mpiasa hafa ho aigny amin'jareo ndre izy, de noratrain'jareo takeo amin'ny lôny ary nalany baraka. De mbola nandeha hafa ndre kô izy, ary novonoin'jareo le raika io. Nataon'jareo ôtran'zany daôly ze tonga takao, notarony ny sasagny ary novonoinyreo afa.Mbôla nanagna ôla raika afa nasaina izy de zanaka malala. Iza no farany nalefany taigny amin'jareo. Ozy hoe: "Mba hagnaja ny zanako la zareo." Nefa nifampiresaka reo mpamboly vôloboka hoe: "Ity le mpandova. Ave, andao vonontsika izy, de ho hoazontsika ny lova."Nosamborin'jareo izy, de novonoiny, ary natsipiny taigny ivelan'ny tanim-boaloboka. Ka, ino ary no ho ataon'lay tompon'ny tanim-boaloboka? Ho avy izy ka handripaka reo mpamboly voaloboka ary hognome ny tanim-boaloboka ho an'ny hafa.10Tsy novakianareo nga zao Soratra Masina zao? "Ny vato zay volavin'ny mpagnano tragno, no tonga vato fehizora.11 Avy tamin'ny Tompo zany,ary de mahagaga eo imasontsika."12 Nikaraka ny hisamborana an'Jesosy zareo, saigy natatra ny vahôka, satria fantan'jareo fa hanoherana an'jareo no nitaraviny zany fagnoharana zany. ka de navelanjareo Izy ary lasa nande zareo.13De nagneraka ny Fariseo sy Herodiana sasagny ho aigny Aminy mba hamandrena Azy amin;ny koragna zareo.14Rafa tonga zareo, de Ozy zareo tamin'ny hoe: "Mpampianatra ô, fantatray fa tsy magnaô ny hevitr'ôla Ianareo, ary tsy mampiseho fiangarana akeo amin'ny ôla. Mampianata marina ny lalàn'Andriamanitra Ianao.Ara-dalàna ma sa tsia ny mandô hetra ami-kaisara? Tokony handô hetra ma zahay sa tsia?"15Fa fantatr'i Jesosy ny fihatsarambelatsihi-jareo ka nitare tamin-jareo hoe: "Magnino anareo no mitsapa Ana? Tondravo denaria tokana Za mbô tazagnako an'izany"16De nitondran'jareo vola raika Jesosy. Ozy izy tamin'jareo hoe: "Endrik'iza ity sary sy soratra ity? Ozy zareo hoe: an'i Kaisara."17 Ozy Jesosy hoe: "Omeo an'i Kaisara ze an'i Kaisara, ary omeo an'Andriamanitra ze an'Andriamanitra." De gaga tamin'Azy zareo.18Avy akaeo ireo Sadoseo, izay milaza fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, de tonga takeo aminy. Nagnotany an'Azy zareo nagnano hoe: 19"Mpampianatra ô, nanoratra an'izao hoanay Mosesy hoe: Ra maty ny ralahin'ny leila raika ary nametraka vady izy, nefa tsy mbô nananjanaka, de tokony manambady le vadin-dralany le leila, ka hanagna taranaka hoan'ny ralany.20Nisy fito mirala; nanambady le vôlôny ary maty, tsy nametraka taranaka.21 Avy akeo naka an'azy ny faharo de maty, tsy nametraka taranaka de Ôtran'izany kô ny fatelo.22 Tsisy nametraka taranaka zareo fito, ny farany indrindra, maty kô le ramatoa.23 Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, rafa hitsangana ndre zareo, de ho vadin'iza zareo? Satria samy nanambady an'azy daôly zareo fito mirala.24Ary ozy Jesosy hoe: "Tsy zany ma no antony madiso hevitra anareo, satria tsy hainareo na ny soratra masina na ny herin'Andriamanitra?25 Satria rafa mitsangana amin'ny maty zareo, de tsy hanambady na hatolotra amin'ny fanambadena, fa ho ôtran'ny anjely aigny andagnitra.26Fa makasika ny amin'ny fitsanganan'ny tegna amin'ny maty, tsy nivakinareo ma ny takao amin'ny bokin'i Mosesy, akao amin'ny andalana momba le vôroy, ny niresan'Andriamanitra taminy ka nilazany hoe: "Za no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary andriamanitr'i Jakoba"?27 Izy de tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velogna, somary diso hevitra nareo".28Nisy raika tamin'ireo mpanora-dalàna tonga ary naregny ny Koragnan-jareo;29 Hitany fa novalian'i Jesosy tsara zareo.Ary nagnotany an'Azy zareo hoe: Ino ny didy geda indrindra amin'izy daôly?" Jesosy namaly hoe: "ny geda indrindra de izao" Mihaino, ny Tompo Andriamanitsika,ry Israely de Tompo tokana.30 Tsy maintsy mité ny Tompo Andriamanitsika Amin'ny fonao daôly anao , amin'ny fagnanao daôly, amn'ny fanahinao dahôly, amin'ny sainao dahôly sy amin'ny herinao daôly. Ty ny didy faharô: 31"Tsy maintsy mite ny namagnao ôtran'ny tegnanao anao" tsisy didy hafa gedabe mihôtran'reo.32Ozy le mpanora-dalàna hoe: "Tsara zany ry Mpampanatra." Vôlazanao marina fa Andremagnitra de tôkana, ary tsy misy af-tsy Izy.33 Ary ny mite an'Azy amin'ny fo daôly sy amin'ny saigna daôly sy ny hery daôly, ary mité namagna ôtran'ny tegna, de tsara lavitra miôtra ny fagnatitra dorôna sy ny sorogna daôly.34 Rafa hitan'i Jesôsy fa naggnome valina koragna hendry izy, de nitare taminy izy hoe: "Tsy lavitra ny fanjakan'Andremagnita anao". Ary tafaran'zany, de tsisy ôla sahy nametraka fagnontanena tamin'i Jesôsy intsony.35namaly Jesôsy, ra nampianatra takeo amin'ny tempoly Izy de ozy Izy hoe: " Akôry na ny itaravan'ny mpanora-dalàna fa Kristy de Zanak'Andremagnitra? 36Davida tegnany, tamin'ny Fanahy Masina, nagnano hoe: "Ny Tompo nitare tamin'ny Tompoko hoe:Miantôrà akao an-tagnana an-kavanako, mandrampagnaovako ny fahavalonao ho fitôran-tongotrao."37 Davida tegnany aza nagnantso an'Azy hoe: Tompo; ka manakôry ny maha-Zanak'i Davida an'i Kristy." Nihaino tamim-pfalena reo vaôka maro be.38Tamin'ny fampenarany Jesôsy de nikoragna hoe: "Mitandrema amin'reo mpanora-dalàna, ze te mandende amin'ny akanjo lava ary ten'jareo ny arabaina akaigny an-tsena.39 Ary ten-jareo ny maazo ny seza vôlôny agny amin'ny synagôga sy ny tôragna vôlôny any amin'ny fety.40 Mandroba ny tranon'reo magnano tegna zareo ary magnano vavaka lava be ho regnin'ôla. Ireo leila ireo de handray fagnaelôhana gedabe tokô.41Avy takeo Jesôsy nentotra nifagnitsy ny vata fanatazan-drakitra takao amin'ny Tempoly; Nitazana an'reo ôla daôly ze nandrotsaka vola takao amin'ny vata fandatsahan-drakitra . Mpanankarena maro no nandrotsaka vola beda be takao.42 De nisy vaiavy mahantra mpagnano tegna raika tonga nandrotsaka farantsakely rôy, ze kely variroaventy. Oharogna amin'ny iraimbilanja.43De nantsoviny reo mpianany ary ozy Izy tamin-jareo hoe:" Lazaiko aminareo marina tokôtra fa ity vaiavy mahantra magnano tegna ity no nadrotsaka betsaka miôtra ny ôla ze nandrotsaka vola takao amin'ny vata fanatazan-drakitra.44 Satria ny daôly de nagnome tamin'ny fanagnamben-jareo. Fa ity magnano tegna ity kosa,tamin'ny fahantrany denandrotsaka ny voa daôly ze tokony hivelomany takao"
Chapter 13

1Ary ra niala takao an-kianjan'ny tempoly Jesosy, de niteny taminazy ny raika tami'reo mpianany hoe: "Mpampianatra ô, tazagno ny atsaran'ny vato sy ny atsaran'ny rafitra!" 2Ozy izy taminazy hoe: "tazagnao ma reto rafitra gedabe reto? Tsy avela isy vato na raika ifampitikina akeo ka tsy ho ravana."3Ary raha nipetraka takeo an-tanetin'Oliva nifanjo ny tempoly Izy, de nagnontany an'Azy mangingigna Petera, Jakoba, Jaona sy Andrea hoe:4 "taravo aminay, ovena no hibôna zany ra daôly zany? Ino no famatarana rafa mitranga reo ra reo?"5Ary Jesosy nentomboka niteny taminjareo hoe: "Mitandrema mba tsisy ôla hampivily lalana an'nareo. 6Fa betsaka no oavy amine Agnarako sy hilaza hoe: 'Za no izy,' ary betska no vôfitagny.7Rafa maregny ady sy resabe momban'ny ady anareo, de aza magna; tsy maintsy ibôgna reo, fa tsy mbôla zay ny farany.8 Fa isy firenana itsangana amely firenena, ary isy fanjakana amely fanjakana. Ary isy orohoron-tany amina tôrana maro, sady isy silaona. Izany ny fendoan'ny fahorenan'ny fiterana.9Mitandrema nareo. Ho atolotr'zareo amin'ny synedriona anareo, ary ho tarôny akao amin'ny synagoga. Hitsagana magnolôna an'reo mpanapaka sy reo mpanjaka no ny Amina anareo, ho vavolombela aminjareo.10 Fa ny filazantsara de tsy maintsy otorina aigny amin'ny firenena daôly alô.11Rafa misambotra sy manolotra an'nareo zareo, de aza magna am'ze tokony o koragninareo. Fa amin'igny ora igny, de omena an'nareo ze tokony o taravinareo; tsy anareo avy no iteny, fa ny Fanahy Masina.12 Ny ralany anolotra ny ralany ho foaty, ary ny ray anolotra ny zanagny. Ny zanaka itsangana anotra ny ray aman-dreniny ka afaty anjareo.13 O alan'ôla daôly anareo no ny Agnarako. Fa niza niza maharitra atramin'ny farany,de o vôvonjy zany ôla zany.14Fa ra tazagnareo mitsangana akeo amin'ny tsy tokony itsanganany ny faavetavetan'ny fandravana (ôka isaigna ze mamaky), de ôka ze avy aigny Jodia daôly hilefa akaigny antanety, 15ze akao an-tampon-tragno ôka tsy hidigna akao andragno na hamôka ra avy akao ami'zany 16ary ze aigny an-tsà ôka tsy hiverigna hiaka ny lambany.17Lozan'reo vevavy bevoka sy mampinono ami'zany andro zany! 18Mivavà nareo mba tsy amin'ny rirignina no iboagnan'zany.19 Fa hisy fahorena be, ze tsy mbôla nisy atram'bôlôny, rafa nagnambôtra an'zao tontolo zao Andriamanitra, ka mandrak'zao, tsia, ary mandrakizay tsisy tsony zany.20 Ary ra tsy hoe nafoezin'ny Tompo zany andro zany, de tsisy nofo ho vôvonjy. Fa no ny ôlom- bôfidy ze nofidiny, de nafoeziny ny isan'zany andro zany.21Ary ra misy ôla miteny aminao hoe: "Jereo, aty Le Kristy!" na kô hoe: 'Jereo, ary izy!' de aza mino an'zany. 22Fa isy Kristy sandoka sy mpaminagny sandoka ibôgna ary hampiseo famantarana sy fagagana, mba hamitana, na de ny ôlom -bôfidy aza, ra azo atao.23 Membena! Efa vôlazako taminareo melôan'ny fotôna reo ra daôly reo.24Kanefa afaran'reo faoren'reo andro reo, de hiamaizigna ny masoandro, sy ny volana tsy hagnome ny hazavany, 25reo kintana hiraraka avy akaigny amin'ny lanitra, ary reo hery ze akao an-danitra ho hozongozognina.26 Ka ho tazan'jareo ny Zanak'ôla avy aigny amin'ny rôndro amin'ny hery lehibe sy voninatra. 27Ary agniraka ny anjeliny Izy ka hagnangona miaraka reo ôlom-bôfidy avy aigny amin'ny vazan-tany efatra, avy aigny amin'ny faran'ny tany ka atraigny amin'ny faran'ny lanitra.28Mangalà lesona avy amin'ny aviavy. Raha vô mandrobogna sy mandravina ny rantsagny, de fantatrareo fa ankeky ny lôtaona.29 Sahala ami'zany kô, raha vô hitanareo fa mibôgna zany ra daôly zany, de fantatrareo fa efa ankenky Izy, magnankeky ny vavady.30Taraviko aminareo, marina tokô, ty taranaka ty de tsy ho lany ritra mandra-pibôgnan'zany ra daôly zany.31 Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teny kosa tsy mba ho levona mandrakizay.32 Fa ny makasika an'zany andro na ora zany, de tsisy mahalala, na de reo anjely aigny an-danitra aza, na ny Zanaka, fa ny Ray iany.33Mitandrema! Membena, satria tsy fantatrareo ny ora. (Fagnamariana: Ireo faefana talô de hoe: Mitandrema! Membena ary mivava, satria...) 34Zany de sahala amin'ny leila raika nande lavitra nandao ny tragnony izy ka reo mpanompony no nataony niandraikitra ny tragnony, samy amin'ny asany avy, ary nandidy ny mpiambina Izy mba tsy hatory.35Ka membena satria tsy fantatrareo hoe ovena no ho avy ny tompon-tragno; mety ho amin'ny hariva , na amin'ny sasak'alina na magneno ako, na ampolakeka.36 Fa raha avy tampoka izy, de aza avela haita an'nareo matory izy. 37Zay lazaiko aminareo de lazaiko amin'ny ôla daôly kô: Membena!"
Chapter 14

1Ary roa andro mialô ny paka finanana ny mofo tsisy masirasira tamin'izany.Nikaraka fomba hisamborana an'i Jesosy antsokotsoko reo lôhan'ny mpisorogna sy ny mpanoradalana , mbô hamonoany Anazy avekeo. 2'' Fa ozy zareo hoe: Alay tsy amin'andro fety, mbo tsy hampikotaba ny ôla.''3Ra taigny Betania tao andragnon'i Simona boka Jesosy, ra nipetraka takeo an-datatra Izy, de nisy vevavy raika nagnatogna Anazy nitondra tavoangy alabastara misy meneka lafo vidy ,ze narda tsisy fangarony nivakiny le tavoangy 4de nahosony teo amin'ny lôny zany. Nasosy ny ôla sasagny nefa zany. Nifampiresaka zareo ka nagnano hoe:'' Ino dikan'izao mandrobaroba zao? 5Io menaka magnitra io manjary amidy miôtra ny denaria telonjato, ary amena ny mahatra.''De niteny an'ilay vevavy zareo avy akeo.6Nefa ozy Jesosy hoe:'' Avilao izy nagnino anareo no magnano ze mampalaelo anazy? Ra tsara no nataony tamina. 7Ny mahantra aminareo akeo fogna, ary afaka magnano soa anazy fogna anareo na amin'ny ino na amin'ny fotoana ino, fa Za kosa tsy hipetraka aketo aminareo aketo fogna. 8Nagnano ze azony natao izy nagnositra ny tegnako ho amin'ny fandivegnana izy, 9Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitoriana ny filazantsara magnerana ny tany, de ho tinenina ny nataon'ity vevavy ity, mbo ho fahatsiarovana anazy.10Avy akeo Jodasy Isakariota raika tamin'jareo roambefolo la, lasana nakaigny amin'ireo lôn'ny mpisorogna afany manolotra Anazy amin'izy ireo. 11Rafa naregny ani'izany reo lôn'ny mpisorogna, de faly zareo ka nampagnatena hagnome vola anazy. De nanomboka nikaraka irika hanolorana Anazy amin'jareo izy14Tamin'ny andro vôlôny finanana ny mofo tsisy masirasira,raha nagnano sorogna ny andron'ny Paka zareo,de ozy ireo mpianany taminazy hoe: Aiza no tenao andiananay hagnamboara ahanina, mbo hinananao sakafon'ny Paka? 13De nagninaka rôy tamin'ireo mpiananay Izy ka nitare taminjareo hoe: '' Mandiana akaigny an-tanana ary hisy mitondra siny feno rano hifanena aminareo. Magnarā anazy. 12Ze tragno idirany , magnara anazy de tineno ny tonpon'izany tragno zany hoe: Ozy ny mpampianatra hoe; '' Aiza ny efitragno fandraisam-bahiny afako miaraka minana ny Paka amin'ireo moianantro?''15Atorony anareo efitragno geda agnambon-drena misy fanaka ze efa vognona tsara izy. Akao no ataovo ny fagnomagnana daôly ho antsika. 16De lasana ny mpianatra ary namonjy tanãna hitanjareo araka ze efa nolazainy taminjareo ny ra daôly, De nagnomana ny sakafon'ny Paka zareo.17Rafa hariva ny andro, de tonga niaraka tamin'ireo rombefolo la Izy, 18Rafa nipetraka takeo amin'ny latabatra sy ninana zareo, de ozy Jesôsy hoe: Lazaiko marina aminareo , fa ny raika aminareo ze miaraka minana Amina aketo de hamadika Ana. 19Nalaelo mafy zareo daôly, ka nitare taminazy tsiraikaraika hoe: Tsy za mintsy zany!.20Jesôsy namaly ka nitare anazy reo hoe: Ny raika aminareo rombefolo la zany, le miara-mangnatsoboka mofo Amina, agnaty kapôka izao.'' 21Fa ny Zanak'ôla de ande amin'ny lãlana ze efa vôlazan'ny Soratra Masina momba Anazy. Fa loza kosa ho an'ze leila ze hamadika ny Zanak'ôla. Tsara ho anazy ra tsy teraka izy.22Ra mbôla takeo ampinanana zareo, de niaka mofo i Jesôsy, de nisaotra ary nizarazara an'zany nameny anazy reo zany sady nagnano hoe: '' Raiso, ty ny tegnako. 23De niaka ny kapôka Izy de nisaotra ary nagnome an'zany anjareo, de nisotro tamin'zany zareo daôly. 24De ozy Izy tamin'jareo: Ty ny ran'ny fanekem-piavanako, ra alatsaka ho an'ny maro. 25Lazaiko marigna aminareo, tsy hisotro ty vôkatra vôloboka ty mitsy Za mandra-patongavan'ny andro ze hisotroko an'zany ndre aigny amin'ny fanjakan'Andriamanitra''26Rafa avy nihira fiderana zareo de nande taigny an-tanety Oliva, 27Ozy Jesôsy tamin'jareo hoe: ''Hilefa Ana daôly nareo fa vôsoratra hoe: Hamely ny mpiambina ondry Za ary hiparitaka ny ondry.28Fa rafa avy hitsangana ami'ny maty Za de hialô lãlana anareo hankao Galilia. 29De ozy Petera taminazy hoe: '' Na de hiala avokoa aza ny daôly, za tsy mbô hiala.30Ozy Jesôsy taminazy hoe: ''Lazaiko marina aminao, fa gniany alina, ra mbôla tsy magneno indrõy ny akoho de efa handã Ana in-telo anao.'' 31Fa ozy Petera hoe: ''Na tsy maintsy hiara ho foaty Aminao aza za de tsy mbô hiala Aminao. De samy nampagnantegna ôtranzany daôly zareo daôly.32Ary tonga taigny amin'ny tôrana atao hoe: Getsemane zareo, de ozy Jesôsy tam'reo mpianany hoe: '' Mipetrã aketo ra mbôla mivavaka Za. 33De nitondra an'i Petera,sy Jakoba, ary Joana niaraka taminazy Izy, ary nanomboka nalaelo sady ory tanteraka. 34De ozy Izy tamin'jareo hoe: ''Fadiranovagna lôtra ny Fanahiko, ôtran'ny efa ho foaty. Mipetrã akeo ka miambena35Nagnalavitra kely Jesôsy, niankotra tamin'ny tany, de nivavaka Izy mbô ra azo atao. hialaAminazy zany ora zany. 36Ozy Izy hoe: '' Aba Ray ô, ny ra daôly hainao atao,alao Amina ty kapôka ty .Nefa ôka tsy ny sitrapoko no atao fa ny An'nao.37Niverigna Izy de nahita anazy reo nandry, ka ozy Izy tamin'i Petera: ''Simona, mandry ma anao? Tsy navita niambina adiny raika ma anao? 38Membesa de mivavã mbô tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy. Ny fanahy mety mavitrika ihany fa ny nofo no mavozo. 39De lasana ndre Izy nikisaka kely ary nivavaka, ary de namerigna niteny nataony talô iany.40NIverigna ndre Izy de natazagna anjareo nandry, fa navesatry ny torimaso ny masonjareo ary tsy hitanjareo ze nitineniny taminazy. 41Nagnatogna fanintelony Izy de niteny anjareo hoe: '' Mbôla mandry sy maka aigna ma anareo? Ampy zay fa tonga ny fotoana. Zahao! Indry ny Zanak'Ôla hatolotra akeo an-tagnan'ny mpanota. 42Mitsangàna; andà hande tsika, Zahao, ankeky le hamadika Anà.43Ary ra mbôla takeo am-pitinenanana Izy, de tonga Jodasy, raika amin'ireo rombefolo lã, niaraka tamin'ôla betsaka ze milanja sabô sy kakazo lava avy tamin'ireo lôn'ny mpisorogna, ny mpanora-dalãna,ary ny loôla. 44Ary le mpamadika Anazy nagnome famantarana an'jareo, Niteny hoe: '' Ze horofoko,Izy le Izy. Samboro Izy de ambeso. 45Rafa tonga Jodasy de nagnatona an'i Jesôsy avy hatraigny sady niteny hoe: '' Raby; ary nagnoroka Anazy izy . 46Avy takeo de nosamborinjareo Jesôsy.47Fa nisy raika taminjareo nitsangana takeo namôka sabatra ary namely le mpanompon'ny mpisorognabe ka nagnala ny sofigny. 48Ozy Jesôsy taminjareo hoe:'' Avy hisambotra Anã ôtran'ny hisambotra jiolahy,miaraka amin'ny sabatra sy kakazo lava ma anareo?'' 49Tamina taminareo takeo isan'andro nmpiantra takeo amin'ny tempoly, tsy samborinareo. Fa natao zao mbô hatanteraka ny Soratra Masina. 50De niala Anazy daôly reo niaraka tamin'i Jesôsy ary nilefa.51Ary nisy gaogna raika, tsy nitafy afa-tsy lamba hariry foagna, Nagnaraka an'i Jesôsy, Rafa nosamborin'ôla izy 52de napetrany takeo ny lambany de lasana nilefa nipalapala izy.53Nindesinjareo taigny amin'ny mpisorognabe jesôsy. Niara-nitangorona taminazy takeo daôly ny mpisorogna sy ny loôla ary reo mpanora-dalãna. 54Ary Petera nagnaraka Anazy avy takaigny alavidavitra takaigny, hatraigny an-kotanin'ny mpisorognabe. Nipetraka teo amin'ireo mpiambina izy, ze namindro teo ankekin'ny afo.55Ary reo lôan'ny mpisorogna sy ny Synedrion Jiosy de nikaraka vavolombelona manoitra an'i Jesôsy mbô hafan'jareo mamono Anazy, ho foaty, nefa tsy nahita zareo. 56Fa betsaka ny niampanga lainga Anazy,nefa na ny fempangan'zareo aza tsy mitombigna avy.57Ary nisy ôla sasany nitsangana ka nempanga lainga Anazy; de ozy zareo hoe: 58''Regninay Izy niteny hoe: 'Arobako ty Tempoly nataon-tãgnana ty ary agnatin'ny telo andro Za de hanangana raika hafa tsy nataon-tagnana. 59Fa mbôla tsy nifagnaraka fogna ny fiam-pangan'jareo.60Ary ny mpisorogna be nitsangana takeo amin'jareo de nagnontany an'i Jesôsy hoe: '' Tsisy lazaina ma Anao? Ino zany iampangan'ireto ôla reto An'nao zany. 61Fa nangigna Izy sady tsy namaly na ino na ino. De mbôla nagnontany Anazy ndre ny mpisorognabe ka nagnano hoe: '' Ano ma no Kristy Zanak'Andriamanitra?'' 62De ozy Jesôsy hoe: '' Zã no Izy,ary ho hitanareo ny Zanak'Ôla rafa mpietraka akeo an-tagnana an-kavanan'ny herin'Andriamanitra sy ny avy akaigny amin'ny rôndron'ny lanitra.''63Ary ny mpisorognabe nandrovitra ny fitafeny sady nagnano hoe: ''Mbôla mila vavolombela kô ma tsika?. 64Fa regninareo ny tegny ratsiny. Ino fanapa-kevitrareo? Zareo daôly de samby nagnameloka Anazy ôtran'ny ôla tokony melona ho foaty. 65Ny sasany nanomboka nandrora Anazy ary nanarogna ny tareny ka namely Anazy sy nagnano taminazy hoe: '' Maminania'' Ary reo manam-boninahitra niaka Anazy ka nidaroka Anazy.66Ary ra takeo am-pidignana takeo an-kianja takeo Petera de nagnatona Anazy ny raika tam'reo gaom-bavin'ny mpisorognabe . 67Natazagna an'i Petera nitsangana namindro takeo amin'ny afo izy, de nidininy ankeky, de ozy izy taminazy hoe: '' Anao kô niaraka tamin'i Jesôsy le Nazarena . 68Fa izy nandà an'zany nagnano hoe: ''tsy fantatro ary tsy haiko ze tineninareo. Avekeo lasa niala ny kianja izy. [Fagnamarinana: reo fandikana sasany nagnampy hoe: ''De nagneno ny akoho,'' fa reo fandikana talô tsara indrindra de tsisy an'io teny io.]69Fa le gaom-bavy takeo natazana ananjy de nanomboka niteny tamin'ireo olona nitsangana nagnodidigna ndre hoe: ''Io leila io de raika tamin'izy reny. 70Fa mbola namaly anzany ndre izy kelikely avy takeo de ozy reo nitsangana takeo amin'i Petera hoe: '' Raika min'jareo mintsy enao, satria anao kô de Galiliana.''71Fa nanomboka nagnozon-tegna sy nianiana izy hoe: '' Tsy haiko izany leila lazainareo zany.'' 72Ary niaraka tamizay de nagneno fagnin-droiny ny ako. Avekeo de natadidy ny tenin'i Jesôsy taminazy Petera hoe:'' Ra mbôla tsy magneno fanindroiny ny ako de handã Ana in-telo anao,'' De nalahelo mafy izy sady nitomany.

Chapter 15

1Vô mipalakedahy, de nivory ny mpisorognabe niaraka tamin'ireo loholona sy ireo mpanora-dalàna ary ny synedriona Jiosy iray manontolo. Nofatoranjareo Jesôsy nindesiny nivoaka. Namenjareo an'i Pilato izy. 2Nagnontany Anazy Pilato nagnano hoe: "Ianao va no mpanjakan'ny Jiosy?". Novaleny hoe: "Voalazanao."3 Nanolotra fiampangana betsaka nanoihitra an'i Jesôsy reo lohan'ny mpisorogna.4Nagnontany Anazy ndre Pilato hoe: "Tsy magnome valiteny va Ianao? Tazagno ny habetsaky ny fiampangana nindesinjareo manohitra An'nao!"5 Fa tsy namaly an'i Pilato intsony Jesôsy,de nahagaga anazy zany.6Ary tamin'ny andro firavoravoana, de namotsotra gadra raika ho anjareo foagna Pilato, gadra ze nagnatahanjareo.7 Niaraka tamin'ireo mpikomy takao am-ponja, Takeo amireo mpamono ôla ze voatana nohon'ny fandraisanjareo anjara tamin'ny fikomiana, de nisy leila raikana antsoina hoe: Barabasy.8 De nankeo amin'i Pilato ny vahôka ka nanomboka nangataka taminy mba hagnanovany an-jareo araka ze fataony tagny alô.9Pilato namaly anjareo ka nagnano hoe: "Tenareo va raha ny mpanjakan'ny Jiosy no halefako an'nareo?"10 satre fantany fa felonana no nanoloran'ny lohan'ny Mpisorogna an'i Jesôsy taminy.11 Fa nagnentana ny vahôka reo lohan'ny mpisôrogna mba ekeka mafy fa tokony ho Barabasy kosa no havotsotra.12De namaly anjareo ndre Pilato ka nagnano hoe: "Ino àry zany tokony hataoko amin'ny Mpanjakan'ny Jiosy?" 13De nekeka mafy ndre zareo hoe: "Homboy Izy!"14Ozy Pilato tamijareo hoe: "Ino ny ratsy nataony?" Fa nekeka mafy hatragny hatragny zareo hoe: "Homboy Izy."15 Te hanao ze mahafapo anjareo Pilato ko de nafahany anjareo Barabasy. Velezo Jesôsy ary avekeo natolony mba hombona.16Nindesin'ireo miaramila ho agny ankianja Izy ( Izay ivontoeran'ny fanjakana), ary nantsoindreo avokoa ny antokon'ny miaramila manontolo17 notafinjareo lamba volomparasy Jesôsy ary nandrandrana felô tsilo zareo ka nametraka anzany taminazy.18 De nanomboka narahaba anazy zareo de niteny hoe:" Arahaba ry Mpanjakan'ny Jiosy!"19Novolezinjareo tamina volosy ny lohany sady nororoany takeo. De nendohalika takeo agnatrehany zareo mody nidera Anazy.20 Rafa avy nagneso anazy zareo, de nesorinjareo tamindre ny lamba volomparasy ary nampitafinjareo Anazy ny fitafiny manokana, ary de nindesinjareo nivôka izy mba hanombona Anazy.21 Noternjareo ny mpandalo raika avy tagny an-tsaha mba hilanja ny hazo fijalian'i Jesôsy, leila raika antsoina hoe Simôna Kyrenianina rain'i Aleksandra sy Rofosy.22ndesin'ireo miramila tagny amin'ny tôrana atao hoe Gologota Jesôsy (ze midika hoe" Toeran'ny Karandoha") 23Namenjareo dovay mifangaro miora Izy, fa tsy nisotro anzany Izy.24 De nombonjareo Izy ary nitsinjarainjareo tamin'ny alalan'ny ankitsapaka ny fitafiny mba hfantarany ze ampahany raisin'ny miaramila tsiraikaraika.25Tamin'ny ora fahatelo Izy no nombonjareo. 26Ary takeo amin'ny takelaka hazo raika no nosoratanjareo ny fiampangan ananohitra Anazy hoe: " Mpanjakan'ny Jiosy." 27Jiolahy roa no niaraka nombonjareo taminazy, ny tokana takeo an-kavanana ary ny tokana kô tankaveny. 28 [Fanamarinana: Ireo fandikana talô tsara indrindra de tsy manisy ny marka 15: 28 hoe:" De tanteraka ny Soratra Masina magnano hoe: Nataony ho isan'ny mpanota Izy". (Ampitao amin'ny Lioka 22:35)]29Reo ze nadalo takeo de nagniratsira Anazy, nagnifidô ary nagnano hoe: "Ooy! Enao le afaka manjera ny fiangonana ary manangana anazy agnatin'ny telo andro,30 vonjeo ny tegnanao ary midìgna avekeo amin'io hazofijalina io!"31 Lôhan'ny mpisorogna kô de nagneso Anazy sala amzany,niaraka tamreo mpanora-dalàna ary niteny hoe:"Namonjy ny hafa Izy, nefa tsy mahavonjy ny tegnany. 32Aoka le Kristy,le mpanjakan'ny israely,hidigna avekeo amin'ny hazo fijalina,mba tazagnonay ary mba inonay," ary reo nohombona niaraka taminy kô de nagneso Anazy.33Tamin'ny ora fahenina de tonga takeo amin'ny tany daôly ny aizigna katramin'ny ora fahasivy . 34Tamizany ora fahasivy zany de nieka tamin'ny feo matanjaka Jesôsy hoe: "Eloy, Eloy, Lamà sabktany? ze midika hoe:" Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nagnino Anao no de nahafoy Ana?" 35Ny sasagny tamireo ze nitsangana takeo naregny ny teniny de nitare hoe:" Tazagno,fa magnantso an'i Elia Izy."36Nisy ôla raika niazakazaka, nandona divay madilo ny sipaonjy, ary nametaka anazy tamin'ny volosy, de nameny hosotroiny. Le leila nitare hoe:" Aoka tazagnay hampidigna anazy akeo Elia." 37Avekeo JEsôsy nieka tamin'ny feo matanjaka de maty.38 Rovitra nizara roy ny agnambo atrampidigna ny lamba tam-piangonana.39RAfa tazan'le Kapiteny ze nitsangana sy nifagnatrika tamin'i Jesôsy fa maty tamzany fomba zany Izy de ozy hoe:" Tegna zanak'Andriamanitra marina tokô io leila io."40 De nisy vaiavy kô nitazagna tagny talavidavitra tagny. Anisan'izany i Maria Magdalena, Maria (renin'i Jakôba zandriny sy Josesy),ary Salome.41 Tamin'Izy tagny Galilia de nagnaraka Anazy sy nanompo ANazy zareo. Ary vaiavy betsaka hafa kô no niaraka niakatra taminjareo tamin'ny tagny Jerosalema.42Rafa tonga ny hariva satre andro fiomagnana,zany hoe, andro alohan'ny Sabata io, 43de tonga takeo Josefa avy agny Arimatia. Kambana hajaina akao amin'ny Synedriona izy ze nandigny ny fanjakan'Andriamanitra. Nagnam-pasahina izy nankeny amin'ny Pilato nangataka ny fatin'i Jesôsy.44 Fa regn'i Pilato hoe maty sady Jesôsy; de nagnantso anle kapiteny ary nagnontny anazy izy ra maty Jesôsy.45Rafa nahazo antoka le tamle kapiteny izy fa maty Jesôsy, de nameny an'i Josefa ny vatgna mangatseka.46 Ary Josefa nividy lamba landy . Nampidigna an'i Jesôsy takeo amin'ny Hazo fijalina izy de namogny landy Anazy ary nandevigna Anazy tagnaty fasagna ze vôlavaka tamina vatolampy. Avekeo nakodedeny ny vato takeo amin'ny varavarampasagna izy47 De tazan'i Maria Magdalena sy Maria renin'i Josesy ny tôrana nandevegnana Anazy
Chapter 16

1Rafa dila ny andron'ny sabata,de nividy ranomanitra hatao amin'ny fatin'i Jesôsy i Maria Magdalena sy Maria renin' i Jakoba,ary Salome nandany vola nividy menaka manitra hagnosorany amin'ny fatin'i Jesôsy. 2Vô mipalakedahy tamin'ny andro voalôhany amin'ny herignandro, de nankegny amin'ny fasagna zareo raha vao mipôka ny masoandro.3Nifampiresaka zareo hoe: " Iza no hagnakode ny vato amin'ny varavaram-pasagna ho antsika?" 4Rafa nitraka zareo, de tazanjareo fe efa voakode niala ny vato,tegna gedabe.on5Nitsofoka tagnaty fasagna zareo de natazana gaogna nagnano akanjo fotsy, nitombigna takeo an-kavanana, ary de gaga zareo. 6De ozy taminjareo: " Aza matatra. Mikaraka an'i Jesôsy nareo, le Nazarianina, ze nomboina. Nitsangana Izy, tsy aketo Izy. Tazagno ny torany nametranareo Ananjy.7 a mandana, taravo zareo mpianany sy Petera fa melôha anareo agny Galilia Izy. De ho tazagnareo akaigny Izy. Araka izay ,otaraviny taminaeo."8Nivôka malaky zareo niala takao agnaty fasagna; nangitakitaka sy nidagnaka zareo. Tsy niteny n'inoninona tamin'ôla zareo satre natatra mafy.9Vô ampôlakeka tamin'ny andro vôlôhany tamin'ny herignandro, tafaran'ny nitsanganany, de nibôgna tamin'i Maria Magdalena alo Izy, le nandroasany devoly fito. 10De lasa Maria ka nitatibolana tamreo ô'la niaraka tamin'i Jesôsy, rafa mbôla nisaona sy nitomagny zareo.11 Regninzareo fa velona Izy sady natazagna Anazy izy , saingy tsy nino njareo12Tafaran'reo ra reo Jesosy de nipoitra tamin'ny endrika afa tamin'ny roa taminjareo , ra nde hagny an- tanàna zareo, 13de lasa zareo nitatibolana taminireo mpianatra sasagny .saingy tsy nino zareo.14Tafara kely de nipoitra tamin'ny iraika ambiny folola Jesôsy ra mbola ampihinanakanina zareo, dia nitrerona anjareo Izy nony tsy finoany hamafin'ny fonjareo, satria tsy ninonjareo ze nahita Ananjy tafaran'ny nitsangana tamin'ny maty.15 Ozy taminjareo hoe: " Mankanesa akaigny amin'izao tôntôlo zao ianareo, ary torio amin'ny ô'la daôly ny filazantsara. 16Izay mino sy atao batisa no ho vonjena, Ary ze tsy mino kosa de helona.17reto famantarana reto de hagnaraka anze mino:Amn'ny Agnarako no hamoanjareo Devoly. Hiteny amin'ny fiteny vaovao zareo.18 hitana menaragna amin'ny tagnana zareo, ary ra misotro pozina zareo, de tsy mampagnino anjareo zany. Hametra-tagnana aminn'ny manavy zareo de ho sitragna regny".19Rafa avy nireseka taminjareo ny Tompo, de nampakarina tagny an-danitra Izy sady nipetaka eo an-tagnan'ankavanan'Andriamanitra.20 De lasa reo mpianatra nitory tegny rehetra tegny,ary ny Tompo niara-niasa taminjareo ary nagnamafy ny teny tamin'ny alalan'ny famantarana ze niaraka taminjareo.

Luke

Chapter 1

1Betsaka reo niezaka nanoratra tantara mikasika an'reo ra-nitranga ze tanteraka teto amintsika, 2araka ze efa nagnoloran'jareo an'azy tamintsika, ze efa vavolombelona nagnatri-maso sy mpanompn'ny teny hatraigny am-pendohana. 3Ary aminà ihany fôgna de ôtran'manjary rafa nagnadiady tsara ny fandean'ny ra daôly hatramin'ny vôlôny - ny hanoratra tatitra araka ny filaharany ho an'nao, ry Teofilo mendrika indrindra. 4Zany de mba halalanao ny marina momba an'reo ra ze nampenarina an'nao.5Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'ny Jodia, de nisy raika tamin'ny mpisorogna antsovina hoe Zakaria, avy amin'ny antokon'i Abia. Ny vadiny de avy amin'ny zanaka vavin'i Arona, ary ny agnarany de Elizabeta. 6Samy marina teo agnatrehan'Andriamanitra zareo, ary nankato reo didy sy fitsipiky ny Tompo daôly. 7Fa tsy nanan-janaka nefa zareo, satria tsy miteraka i Elizabeta, ary samy efa tegna antitra izy rôy reo tam'zany fotôna zany.8Ary zany de makasika an'i Zakaria teo fagnatrehan'Andriamanitra, nanatanteraka reo asan'ny fisorognana araka ny fifandimbiasan'ny isan-tokony. 9Araka ny fomba fagnôn'jareo ny amin'ny fisafidianana mpisorogna ze tokony hanompo, de vôfidin'ny kodia kely hiditra handoro ny emboka magnitra akao an-tempolin'ny Tompo izy. 10Tamin'ny ora nandorona ny emboka magnitra de nivavaka tegny ambelany ny vahôka daôly.11Ary nisy anjelin'ny Tompo nibôgna tamin'azy ary nitsangana teo ankavanan'ny alitara nisy ny emboka magnitra. 12Rafa natazagna an'azy i Zakaria, de lasa natatra ary tegna natatra izy. 13Fa ozy ny anjely tamin'azy: "Aza matatra, ry zakaria, efa nenoko ny vavakao. Hitoe-jaza là aminao Elizabeta vadinao. Jaona no ataonareo agnarany.14Hanam-pifalena sy haravôna enao, ary betsaka kô ny ho faly amin'ny faterany. 15Satria ho leibe izy akeo amason'ny Tompo. Tsy hisotro dovay na zava-pisotro mamamo miitsy izy, ary ho feno ny Fanahy Masina hatraigny an-kibon-dreniny izy.16Betsaka amin'ny vahôkan'Israely no hitodika amin'ny Tompo Andriamanitr'izy reo. 17Hande akeo agnolohan'ny tavan'ny Tompo amin'ny fagna sy ny herin'Elia izy. Zany no atôny de ny mba hitodihan'ny fon'ny ray amin'ny zanaka, mba handehanan'reo ze tsy mankatô amin'ny lalan'ny fahendren'ny marina - mba hagnomanana vahôka efa vognona ho an'ny Tompo no homanina ho an'Azy.18Ary Zakaria niteny tam'le anjely hoe: "Ahôna no afatarako an'zany? Fa za efa anti-dà ary ny vadiko de tegna efa antitra." 19Ary ozy le anjely namaly sy niteny tamin'azy: "Za no Gabriela, le mitsangana akeo agnatrehan'Andriamanitra. Ary vôiraka za mba hilaza aminao, hitondra vaovao tsara aminao. 20Ka zao! Ho môna enao, ka tsy afaka hiteny, mandra-peven'ny andro hibôgnan'reo ra reo. Satria tsy nino ny teniko enao. ze tsy maintsy tanteraka amin'ny fotônany."21Ary ny vahôka d'efa niandry an'i Zakaria. Gaga non'ny fijanonany maharitra tao an-tempoly. 22Fa rafa nivôka izy, de tsy afaka niresaka tam'jareo. Ary fantatr'reo fa nahita fahitana izy tao an-tempoly tao. Nagnano baiko môgna tam'reo izy ary nijanona ho môgna. 23Ary rafa tonga ny andro ataperan'ny fagnompôny, de lasa nody taigny an-tranony izy.24Tafaran'reo andro reo, de bevoka Elizabeta ary nisitrika nandritry ny dimy volana. Ozy izy hoe: 25"Zao no naton'ny Tompo ho anà rafa nitsinjo anà Izy mba hagala ny henatro akeo agnatrehan'ny ôla."26Teo amin'ny faha enim-bolana, de nirahin'Andriamanitra ny anjeliy Gabriela nankaigny amin'ny tanàna raika tao Galilia antsovina hoe Nazareta, 27ha aigny amin'le virjiny raika ze vadina leila antsovina hoe Josefa. Agnisan'ny taranak'i Davida izy, ary ny agnaran'le virjiny de Maria. 28Nankeo amin'azy izy ary nitare hoe: "Arahaba, ry le nohasoavina indrindra! Ny Tompo ho akao aminao." 29Fa tegna very hevitra tamin'ny teniny izy nagnotany tegna hoe karazana ferabana ôtran'ino kô zany.30Ozy le anjely tamin'azy: "Aza matatra, ry Maria fa efa nahita sitraka tamin'Andriamanitra enao. 31Ka ho bevoka enao ka hiteraka zazalà. Ary ny agnarany de antsovinao hoe: "JESOSY." 32Ho leibe Izy ary ho antsovina hoe Zanaky ny Avo Indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hagnome an'Azy ny seza fendrianan'i Davida razambeny. 33Ary hanjaka mandrakizay amin'ny tarank'i Jakoba izy, ary tsy hanam-pataperana ny fanjakany.'34Ozy Maria tamin'le anjely: "Ahôna no hatonga an'zany, fa za nge mbola tsy niara-natory tamina leila e?" 35Ny anjely namaly sy nitare tamin'azy hoe: "Hirotsaka aminao ny Fanahy Masina, ary ny herin'ny Avo Indrindra no ho avy akao aminao. Ka le masina ho teraka de ho antsovina hoe Zanak'Andriamanitra.36Io Elizabeta havanao de bevoka là kely ihany kô na de tamin'ny faterany aza. Efa enim-bolana ny an'azy io zao, izy le nantsovina hoe momba. 37Satria tsisy ra tsy azo tanterahana amin'Andriamanitra." 38Ozy i Maria: "Io za no mpanompovavin'ny Tompo. Aoka ho tanteraka aminà zany araka ny hafatrao." Ary niala teo amin'azy le anjely.39Ary tam'zany andro zany i Maria de nande malaky nankaigny amin'ny tany ambony, aigny amin'ny tanànan'i Jodia. 40Nankaigny amin'ny tranon'i Zakaria izy ary nerahaba an'i Elizabeta. 41Ary nony nareigny ny feraban'i Maria i Elizabeta, de nikofoka ny zaza takoa an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta.42Nanandram-peo sy nitare mafy izy hoe: "Nosoavina nony vevavy daôly enao, ary nosoavina ny nateraky ny kibonao. 43Nagnino zany no mitranga aminà fa le renin'ny Tompo no tonga hagnatona anà? 44Fa io, rafa tonga teo an-tsofiko ny ferabanao, de nentan-kafalena ny zaza akato an-kiboko. 45Sambata izy ze nino fa ho tanteraka re ra ze nolazain'ny Tompo tamin'azy."46Ozy i Maria: "Midera ny Tompo ny fagnako, 47ary ny fagnako nifaly takao amin'Andraimanitra mpamonjiko.48Fa nijeray ny fantran'ny mpanompo vaviny Izy. Ary io fa manomboka zao ny taranaka daôly hiantso anà hoe sambatra. 49Satria nagnano ra geda be taminà le mahefa ny ra daôly, ary masina ny agnarany.50Fa maharitra ho an'ny taranaka faramandimby ze matatra an'Azy ny famindram-pony. 51Nampibôgna ny heriny tamin'ny sandriny izy; ary nanaparitaka reo ze nirehareha tamin'ny eritreritry ny fon'jareo.52Naongany tamin'ny seza fendrianany ny zanaka lahin'ny mpanjaka ary reo ambany nasandrany. 53Natôgny voky zava-tsoa reo nôgna, fa ny mpanan-karena natao tsy nanagna na ino na ino.54Nagnome fanampiana an'Israely mpanompony Izy, mba hatserovany haneho famindram-po 55(araka ny nolazainy tam'reo raintsika) tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay."56Nijanona nitôtra tao amin'i Elizabeta teo amin'ny telo volana i Maria ary avy akeo niverigna nody taigny an-dragno izy. 57Ary tonga ny fotôna hiterahan'i Elizabeta ny zanany ary niteraka zazalà izy. 58Nareigny ny famindram-po gedabe nataon'ny Tompo tamin'ny reo mpiara-monina amin'azy sy reo havany, ary niara-paly tamin'azy zareo.59Ary tamin'ny andro fahavalo de tonga hamora zaza zareo. Saika ho antsovin'jareo hoe "Zakaria," araka ny agnaran-drainy izy. 60Fa ny reniny kosany namaly ary nitare hoe: "Tsia". Jaona no hentsovana an'azy." 61Ary ozy reo tamin'azy. "Tsisy agnarana akao amin'ny havanao ne zany e."62Nagnano baiko môgna tamin'ny rainy izy reo ny amin'ny tenay hatao agnarany. 63Nangataka solaitra fagnoratana ny rainy ary nanoratra hoe: "Jaona no agnarany." Ary de gaga tamin'zany izy daôly.64Ary niaraka tam'zay de nisokatra ny vavany ary nafahana ny lelany. Niteny izy ary nidera an'Andriamanitra. 65Tonga teo am'reo nagnodidina an'azy reo daôly ny tatra. Ary niparitaka eraky ny tanànan'i Jodia ny zava-niseho daôly teo. 66Ary reo nareigny de nandray tao am-pony, ary nilaza hoe: "Ho lasa ino ary ty zaza ty?" Fa momba an'azy ny tagnan'ny Tompo.67Ary feno ny Fanahy Masina i Zakaria rainy ary naminany, ka nilaza hoe: 68"Deraina ane ny Tompo, Andriamanitr'Israely, fa tonga nanampy sy nanatanteraka ny fanafahana ho an'ny vahôkany Izy.69Nanandratra avo ny tandrom-pagnavotana akao an-dragnon'i Davida mpanompony Izy, 70salan'ze nolazain'ny tamin'ny vavan'reo mpaminagny masina tamin'ny andro talô taigny. 71Hitondra famonjena amin'ny favalontsika sy amin'ny tagnan'reo mankahala antsika Izy.72Zany no hataony de ny mba hampibôgna ny famindram-po am'reo raintsika sy hampatsehivana ny fagnekem-pihavanany Masina, 73de le fiaignana nolazainy tamin'i Abrahama raintsika. 74Niniana ny hazontsika, daôly afaka tamin'ny tagnan'ny favalontsika, manompo an'Azy tsy am-tatra, 75am-pamasinana sy am-pamarinana akeo agnatrehany amin'ny androntsika daôly.76Enao ry zaza de antsovina hoe mpaminagn'ny Avo Indrindra, fa hande helôha ny tavan'ny Tompo enao ary hagnambôtra ny lalany, mba hagnomana ny ôla ny amin'ny feviny, 77mba hagnome falalam-pamonjena ho an'ny ôla amin'ny alalan'ny famelana ny helok'izy reo.78Zany no hibôgna de non'ny famindram-po masin'ny Andriamanitsika, non'ny am'zany no hiposahan'ny masoandro avy amin'ny avo mba ho avy hanampy antsika, 79hanazava an'reo ze mipetraka akao agnatin'ny haizina sy reo akao agntin'ny aloky ny fafatesana. Hataony zany mba hitarihana ny tongotsika amin'ny lalam-pedanana."80Ary ny zaza de nitombo ary tonga nahery amin'ny fagna, ary taigny an'efitra izy mandra-pevin'ny andro hibôgnan'ny ankarihary amin'Israely.
Chapter 2

1Ary tam'zany andro zany, de nandefa didy ze mibaiko ny hagnisana ny ôla daôly miaigna aketo am'zao tontolo zao Aogosto Kaisara. 2Zany no fagnisam-bahôka natao vôlôny tamin'i Kyrenio no mpanapaka taigny Syria. 3Noho zany ny ôla daôly de nankaigny amin'ny tanàna niaveny avy mbô hisoratra agnarana ho an'ny fagnisam-bahôka.4De nande niakatra avy taigny Galilia kô Josefa, avy taigny an-tanànan'ny Nazareta, ho aigny Jodia, tanànan'i Davida ze antsôvina hoe Betlehema, satria izy avy amin'ny tragno sy fianakaven'i Davida. 5Nande taigny izy mbô hisoratra agnarana niaraka tamin'i Maria, ze fofom-badiny ary bevoka.6Raha mbôla taigny zareo, de tonga ny fotôna hitirany ny zanagny.7 Niteraka zaza lahy izy, zanagny vôlôny, ary izy nampitafy lamban-jaza an'Azy sy nampandry an'Azy takeo amin'ny fihinanam-bilogna, satria tsisy tôrana ho an-jareo takao amin'ny hotely.8Nisy mpiambin'ondry tam'zany faritra zany ze nijanona taigny an-tsaha, niambina ny andian'ondriny tamin'ny alina. 9Nisy anjelin'ny Tompo nibôgna tamin-jareo, ary ny voninahitry ny Tompo namirapiratra magnodidigna an'azy, ary raiki-tatra zareo.10De nitare tamin-jareo ny anjely nagnano hoe: "Aza matatra, fa hitondra vaovao tsara ze hitondra hafalena gedabe ho an'ny ôla daôly za. 11Gniany de nisy mpagnavotra ze teraka ho an'nareo aigny an-tanànan'i Davida! Izy no Kristy Tompo! 12Zao no famantarana ze amena an'nareo: Hatazagna zazakely mitafy lamban-jaza ary mandry akeo amin'ny fihinanam-bilogna anareo."13Tampoka takeo niaraka tam'le anjely, de nisy tafiky ny lagnitra lehibe nidera an'Andriamanitra nagnano hoe: 14"Voninatra ho an'Andriamanitra aigny amin'ny avo ndrindra, ary hisy fiadanana anie aketo an-tany akeo amin'ny ôla ze ankasitrany."15Ary rafa niala takeo amin-jareo nankaigny an-dagnitra reo anjely, ny mpimbina ondry nikoragna hoe: "Andao tsika zao ho akaigny Betlehema, ary hikaraka zany ra nitranga zany, ze nampahafantarin'ny Tompo antsika zany." 16Nande malaky taigny zareo ary natazagna an'i Maria sy Josefa, ary natazagna zazakely nandry takeo amin'ny fihinanam-bilogna.17Tafaran'ny natazagnan-jareo an'Azy, de nampafantarin-jareo ny ra daôly nolazaina an-jareo momba an'io zaza io. 18Ze daôly naregny an'zany de tofoka ny amin'ny nilazan'ny mpiambin'ondry tamin-jareo.19 Fa Maria kosa nanohy nieritreritra momba ny ra daôly ze regniny, ary nitahiry regny takao am-pony. 20Niverigna reo mpiambin'ondry, nagnome voninatra sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny ra daôly ze regnin-jareo sy tazagn-jareo, araka ze nolazaina tamin-jareo.21Nony tapitra ny andro fahavalo, rafa noforàna Izy, de namena agnarana hoe Jesosy, le agnarana namen'ny anjely an'Azy talôhan'ny nametrahana an'Azy tao an-kibo.22Ary rafa dila ny isan'ny andro notakiana hidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, de nitondra an'azy niakatra ho akaigny an-tempoly tao Jerosalema i Maria sy Josefa mbô hagnolotra an'Azy akeo amin'ny Tompo. 23Araka ze vôsoratra akao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: "Ny lahy daôly ze vôlôn-teraka de hatokana ho an'ny Tompo."24 Noho zany de nagnolotra sorogna araka ze vôlaza akao amin'ny lalàn'ny Tompo zareo, "domohina roey na zanaka voromelala roey."25Ary indro, nisy leila taigny Jerosalema Simona no agnarany, ary zany leila zany de marina sy mafana fo. Nikaraka ny fampionognana an'Israely izy, ary takao amin'azy ny Fanahy Masina. 26Nambaran'ny Fanahy Masina tamin'azy fa tsy hahita fafatesana melôn'ny ahitany ny Kristy Tompo izy.27Notaritin'ny Fanahy, nankaigny an-tempoly Simona. Rafa nitondra an'i Jesosy zazakely niditra ny ray aman-dreniny, mbô hagnano an'Azy araka ny fomba akao amin'ny lalàna, 28de noraisiny ho aigny an-tsandrigny Izy sady nidera an'Andriamanitra ary nagnano hoe: 29"Am'zao fotôna zao avilao ande am-piadanana ny mpanomponao, ry Tompo, araka ny teninao.30Fa ny masoko nahita ny famonjenao, 31ze nomagninao takeo amin'ny agnatrehan'ny ôla daôly: 32De fazavana ho fagnambarana ho an'ny Jentlisa ary voninatra ho an'Israely ôlonao.33Ny ray sy renin'le zaza de gaga tamin'ny ra nolazaina makasika an'Azy. 34Nitso-drano an-jareo Simona ary nitare tamin'i Maria reniny hoe: "Indro, ty zaza ty de vôtendry ho amin'ny fandavôna sy fanandratana ny ôlon'Israely maro ary ho famantarana ze nolavina - 35ary hisy sabatra hanombaka ny fagnahinao - mbô ho vômbara ny hevitry ny fo maro."36Nisy mpaminagny vavy raika antsôvina hoe Ana teo. Zanakavavin'i Fanoela avy amin'ny foko Asera izy. Tegna antitra izy. Nipetraka niaraka tamin'ny vadiny fito taona tafaran'ny nahavirijiny an'azy izy, 37ary nampitondra tegna nandritry ny efatra ambefolo taona. Tsisy niala ny tempoly mitsy izy fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy vavaka, magnalin'andro. 38Tam'zany ora zany ndrindra de nagnatona ankeky an-jareo izy ary nagnomboka nagnome fisaorana an'Andriamanitra sy nilaza ny momba an'le zaza tamin'ôla daôly ze nandigny ny fagnavotana an'i Jerosalema.39Rafa navita ny ra daôly nasaina nataony araka ny lalàn'ny Tompo zareo, de niverina taigny Galilia, aigny amin'ny tanànan-jareo aigny Nazareta. 40Negeda ny zaza ary nenatanjaka, nitombo fahendrena, ary ny fahasoavan'Andriamanitra de tao amin'Azy.41Ny ray aman-dreniny de nankaigny Jerosalema isan-taona hamonjy ny Firavoravôn'ny Paska. 42Rafa rombefolo taona Izy, de nande nankaigny araka ny fomba fatao amin'ny fety ndre zareo. 43Ary rafa avy nijanona taigny nandritry ny andron'ny fety manontolo zareo, de nanomboka niverina nody zareo. Fa Jesosy zazalahy nijagnona taigny Jerosalema nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny zany.44 Nataon-jareo fa niaraka tamin'ôla niara-de tamin-jareo Izy, de nande nandritry ny andro ray manontolo zareo. ary avekeo de nagnomboka nikaraka an'Azy taigny am'reo havany sy reo namany zareo.45Rafa tsy hitan-jareo Izy, de niverina taigny Jerosalema zareo ka nagnomboka nikaraka an'Azy taigny. 46Nony afaka telo andro, de tazan-jareo takao an-tempoly Izy, nitôtra takeo ampovôn'reo mpampianatra, nihaino an-jareo sy nametraka fagnontanena tamin-jareo. 47Ze daôly naregny an'Azy de gaga tamin'ny fahalalany sy reo valinteniny.48Rafa natazagna an'Azy zareo, de gaga. Ny reniny nikoragna tamin'Azy hoe: "Zanako, magnino ma anao no nagnano ôtran'zao an'nay? Tandrigneso, za sy ny rainao nikaraka an'nao tamina tebiteby." 49Izy nitare tamin-jareo hoe: "Magnino ma anareo no mikaraka Anà? Tsy fantatrareo ma fa tsy maintsy ho akao an-dragnon'ny Raiko Za?" 50Fa tsy azon-jareo ze tieny hotaravina tam'zany teny zany.51De nody niaraka tamin-jareo taigny Nazareta Izy sady nankatoa an-jareo. Ny reniny de nitahiry an'zany ra daôly zany tao am-pony. 52Fa Jesosy ne-nitombo fahendrena sy nitombo tegna, ary nitombo fitia tamin'Andriamanitra sy ny ôla.
Chapter 3

1Tamin'ny taona faha dimy ambefolo nanjakan'i Tiberie Kaisara - tamin'i Pontio Pilato no governoran'i Jodia, Heroda de mpanapaka tao Galilia, Filipo ralahiny de mpanapaka tao amin'ny faritra Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania de mpanapak'i Abilena, 2nadritry ny fisorognam-ben'i Aniasy sy Kaiafa - de tonga tamin'i Jaona zanaka lahin'i Zakaria taigny an'gnefitra ny tenin'Andriamanitra.3Nande taigny am'reo faritra daôly magnodidigna an'i Jordana izy, nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelana reo heloka.4Araka ny vôsoratra akao amin'ny bokin'ny tenin'i Isaia mpaminagny hoe: "Nisy feo raika nagnantso mafy avy taigny an'gnefitra hoe: 'Ataovo vognona ny lalan'ny Tompo, ataovo mahitsy ny lalana andeanany.5Ny lôsaha daôly hototofana, ary ny tanety sy ny havôna ahetry, ary ny lalana miolaka de amboarina mahitsy, ary ny tôrana mikitôntôgna de ho atao lalana, 6ary ny nofo daôly de hatazagna ny famonjen'Andriamanitra.'"7Ka nitare tam'reo vahôka ze tonga hatao batisa i Jaona hoe: "Anareo ry taranaky ny menaragna! Iza ma no nampitandrina an'nareo mbô handositra ny fahasosena ze ho avy?8Noho zany, mamokara voa mendrika ny fibebahana, ary aza mitare akao agnatinareo hoe: 'Zahay managna an'i Abrahama ho rainay,' fa mitare an'nareo za fa Andriamanitra de afaka manangana zanaka ho an'i Abrahama avy am'reto vato reto.9Am'zao fotôna zao aza ny famaky de mitsatoka akeo ampototry ny kakazo. Ka ny kakazo daôly ze tsy mamô vô tsara de baragnina ary hatsipy aigny agnaty afo."10Ary reo vahôka de nagnontany an'azy hatraigny, ka nitare hoe: "Ino ary no ataonay?" 11Namaly izy ka nitare tamin-jareo hoe: "Raha misy ôla managna akanjo lava rôy, tokony mizara an'zany amin'ôla raika ze tsy managna izy, ary ze managna ahanina kô de tokony hagnano ôtran'zany."12Reo mpamory hetra kô de tonga mbô hatao batisa, ary nitare tamin'azy hoe: "Mpampianatra ô, ino no tsy maintsy ataonay?"13 Izy nitare tamin-jareo hoe: "Aza magnangona vola mihôtra noho ze nasaina halainareo."14Miaramila betsaka kô nagnontany an'azy, nitare hoe: "Manakôry ma ny momba an'nay? Ino no tsy maintsy ataonay?" Izy nitare tamin-jareo hoe: "Aza mialaka vola amin'ôla an-keriny, ary aza mempanga lainga ôla. Mifalia amin'ny karamanareo."15Ary raha nandigny fatratra ny fatongavan'i Kristy ny vahôka, de nagnontany takao am-pony ny makasika an'i Jaona ny tsiraikaraika, na mety ho izy na tsy izy no Kristy. 16Jaona namaly tamin'ny fitaravana an'azy daôly hoe: "Raha ny aminà, de magnano batia an'nareo amin'ny rano za, fa misy ôla raika ho avy ze mahery mihôtra anà, ary tsy mendrika za na de hamaha reo tadin-kapany aza. Hagnano batisa an'nareo amin'ny Fagnahy Masina sy ny afo Izy.17Akeo an-tagnany ny fikororohany mbô hagnadiovana tsara ny akao am-pamolôny sy hagnangonana ny vary ho aigny amin'ny volovary. Fa ho dorôny amin'ny afo tsy mety vonina ny akofa.18Niaraka tamin'ny fagnanarana maro hafa iany kô, Jaona nitory vaovao tsara ho an'ny vahôka. 19Heroda mpanapala rafa nanarina nohon'ny nanambadeny ny vadin-dralahiny Herodiasy, sy nohon'ny ra ratsy hafa daôly ze vitany, 20de ho fagnampin'zany daôly zany, de nampidiriny taigny am-ponja Jaona.21Ary, rafa vita batisa avokoa ny ôla daôly, de natao batisa kô Jesosy, ary raha mbôla nivavaka izy, de nisokatra ny lagnitra, 22ary ny Fagnahy Masina niaka endrika ka nidigna takeo amin'Azy salan'ny voromelala, ary nisy feo avy aigny an-dagnitra nagnano hoe: "Anao no Zanako, malalako. Faly Za nohon'ny aminao."23Rafa nagnomboka ny asa fanompoany Jesosy, de teo amin'ny telopolo taona teo Izy. Izy no zanaka lahin'i (araka ny feverana) Josefa, zanak'i Hely, 24zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa.25Josefa de zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Elsy, zanak'i Nagay, zanak'i Mata, 26zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda.27Joda de zanak'i Joanana, zanak'i Rase, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery, 28zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era,29 zanak'i Josoa, zanak'i Eliezara, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy.30Levy de zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima, 31zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida, 32zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona.33Nahasona de zanak'i Aminadaba, zanak'i Adimina, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fereza, zanak'i Joda, 34zanak'i Jakoba, zanak'i Isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora, 35zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela.36Sela de zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka, zanak'i Metosela, 37zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana, 38zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamnitra.
Chapter 4

1Tafaran'zany Jesosy, rafa feno ny Fagnahy Masina, de niverigna avy taigny amin'ny reniranon'ny Jordana, ary nentin'ny Fanahy Masina taigny agn'efitra2 ze nangalan'ny devoly fagnahy an'Azy nandritry ny efapolo andro. Tsy nihinana na ino na ino Izy nandritra reo andro reo, ary tamin'ny fotôna farany de nôna izy.3Ny devoly nitare tamin'Azy hoe: "Raha zanak'Andriamanitra Anao, de didio ho lasana mofo io vato io." 4Jesosy namaly an'Azy hoe: "Vôsoratra hoe: 'Tsy ny mofo fogna no iveloman'ny ôla.'"5Avekeo nentin'ny devoly taigny amin'ny tôrana agnambo Jesosy ary nabôgnany an'Azy vetiketika daôly ny fanjakana daôlin'zao tontolo zao. 6Ny devoly nitare tamin'Azy hoe: "Ameko An'nao ny fahefana daôly sy ny famirapiratana daôly, satria efa namena anà reo, ary afaka ameko ny ôla ze teko amena an'azy. 7Noho zany, raha menkotra sy manompo anà Anao, de ho lasanao zany."8Kanefa Jesosy namaly ka nitare an'azy hoe: "Vôsoratra hoe: 'Hidera ny Tompo Andriamanitrao anao, ary Izy rerika fôgna no ho tompoinao."9Avekeo ny devoly de nitondra an'i Jesosy taigny Jerosalema ary nataony taigny amin'ny fara-tampon'ny tempoly, ary nitare tamin'Azy hoe: "Raha zanak'Andriamanitra Anao, de alavô avy aty ny tegnanao. 10Satria efa vôsoratra hoe: 'Hibaiko ny Anjeliny ny aminao Izy, mbô hiaro an'nao,' 11ary, 'Zareo hanandratra an'nao amin'ny tagnany, mbô tsy ho tafitona amin'ny vato ny tongotrao.'"12Namaly an'azy Jesosy, nitare hoe: "Efa nambara hoe: 'Aza miaka fagnahy ny Tompo Andriamanitrao.'" 13Rafa vita ny fangalàn'ny devoly fagnahy an'i Jesosy, de lasana izy ary nandao an'Azy ambara pahatongan'ny fotôna hafa.14Avekeo Jesosy niverigna taigny Galilia tamin'ny herin'ny Fagnahy, ary ny vaovao momba an'Azy de efa niely nanerana ny faritra magnodidigna daôly. 15De nanomboka nampianatra takao amin'ny Synagogan-jareo Izy ary noderain'ny daôly.16Nande taigny Nazareta Izy, le tanàna nahageda an'Azy, ary araka ny fomba fataony, de niditra takao amin'ny Synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana mbô hamaky teny mafy. 17Natolotra an'Azy ny horognan-taratasin'Isaia mpaminagny. Nosokafiny le boky ary hitany ny tôrana nanoratana an'azy,18"Ny Fanahin'ny Tompo de akato aminà, satria Izy nagnosotra Anà hilaza ny vaovao mahafaly ho an'ny mahantra. Izy no nandefa Anà hagnambara fafahana ho an'reo babo, ary hamerigna ny fahitana ho an'ny jamba, hagnafaka reo ze ampahorena. 19Hagnambara ny taom-pankasitrahan'Andriamanitra."20Avekeo de nahorogny ny taratasy, naverigny taigny amin'ny mpitandrina, ary nipetraka Izy. Ny mason'reo daôly takao amin'ny Synagoga, de nibanjina an'Azy.21 Nanomboka nikoragna tamin-jareo Izy hoe: "Gniany ty Soratra Masina ty de tanteraka akeo ampitandrignesanareo." 22Ny daôly takao de nilaza tsara ny momba an'Azy ary gaga tamin'ny tenim-pahasoavana ze nalôkan'ny vavany zareo, ary nagnontany zareo hoe: "Fa tsy le zanak'i Josefa ma ty?"23Izy nitare tamin-jareo hoe: "Azo antoka fa hilaza ty ohabolagna ty Aminà anareo hoe: 'Dokotera, sitrano ny tegnanao. Na ino na ino regninay fa nataonao takao Kapernaomy, de magnanôva ôtran'zany aigny amin'ny taninao.'24 Nefa nitare Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo, tsisy mpaminagny voaray akao amin'ny taniny.25Kanefa lazaiko marina aminareo fa maro ny vevavy mpitondra tegna taigny Israely tamin'ny andron'i Elia, raha nihidy ny lagnitra nandritra ny telo taona sy enim-bolana, ary nisy silaona lehibe tonga teo amin'ny tany daôly. 26Nefa Elia tsy nalefa na tamin'ny raika tamin-jareo aza, fa tao Zerapata any Sidona fôgna, taigny amin'ny mpitondra tegna ze nipetraka taigny.27 Fa betsaka reo boka takao Israely tamin'ny andron'i Elisa mpaminagny, nefa tsisy na de raika tamin-jareo aza sitrana afa-tsy Namàna le Syriana."28Ny ôla daôly takao amin'ny Synagoga de enika fasosena rafa naregny an'reo ra reo.29 Nitsangana zareo, nanery an'Azy hiala ny tanàna, ary nandefa an'Azy taigny an-tampon-tanety ze niorenan'ny tanànan-jareo, mbô handavôna an'Azy amin'ny tevagna. 30Nefa nandeha nagnivakivaka takeo ampovôn-jareo Izy de lasana nadeha taigny amin'ny tôran-kafa.31Avy akeo Izy de nidigna taigny Kapernaomy, tanàna raika aigny Galilia, ary nanomboka nampianatra an-jareo tamin'ny Sabata Izy. 32Zareo de gaga tamin'ny fampenarana nataony, satria nitare tamin'ny faefana Izy.33Ary takao amin'ny Synagoga de nisy leila ze nitôran'ny fagnahy maloton'ny demonia, ary izy de nilelalela tamin'ny feo mafy hoe:34 "Ah! Ino no ifandraisanay Aminao, ry Jesosy avy aigny Nazareta? Tonga mbô hamotika an'nay ma Anao? Fantatro hoe iza Anao - le Raika Masin'Andriamanitra!"35Jesosy nitare mafy le demoniaka, ka nagnano hoe: "Aza mitare ary mialà akao amin'azy!" Rafa nanipy le leila hiantreka takeo ampovôn-jareo ny demony, de niala takao amin'azy, ary tsy nandratra an'azy mihitsy.36 Gaga avokoa ny ôla daôly, ary nanohy nifampikoragna ny momba an'zany. Nitare zareo hoe: "Fa teny manakôry ma zany? Baikòny amin'ny faefana sy hery ny fagnahy maloto de mivôka." 37Noho zany de nanomboka niely nagnerana ny faritra magnodidina ny lazany.38De nandao ny Synagoga Jesosy ary niditra takao an-dragnon'i Simona, ary nampijalian'ny tazo mahery ny rafozam-bavin'i Simona, ary nengavy tamin'Azy zareo mbô hagnasitrana an'azy.39 Ka nitsangana takeo agnolôny Izy ary nitare mafy ny tazo, de niala tamin'azy zany. Avy hatraigny izy de nitsangana ary nanomboka nanompo an-jareo.40Rafa nilentika ny masoandro, de nitondra ny ôla daôly nararin'ny aretina betsaka samy hafa takeo amin'i Jesosy ny ôla. Nametra-tagnana tamin'ny tsiraikaraika avy tamin-jareo Izy ka nagnasitrana an-jareo. 41Reo demony iany kô de niala takao amin'ny betsaka tamin-jareo, nilelalela mafy sy nilaza hoe: "Anao no Zanak'Andriamanitra!" Jesosy nitare mafy reo demoniaka ka tsy namela an-jareo hitare, satria fantatr'zareo fa Izy no Kristy.42Vô ampôlakeka, de nande taigny amin'ny tôrana mangingina Izy. Vahôka betsaka be no nikaraka an'Azy ary nankaigny amin'ny tôrana ze nisy an'Azy. Zareo de niezaka nitàna an'Azy mbô tsy hiala akeo amin-jareo. 43Fa Izy nitare tamin-jareo hoe: "Tsy maintsy mitory ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanàna betsaka hafa iany kô Za. Satria zany no antony nagniràna Anà taty. 44Avy akeo Izy de nanohy nitory takao am'reo Synagoga magnerana an'i Jodia.
Chapter 5

1Ary zao no nitranga, raha nitangorogna nagnodidina an'i Jesosy reo ôla ary nitaino ny tenin'Andriamanitra, de nitsangana teo amoron'ny farihin'i Genesareta Izy. 2Natazagna sambokely rôy nijanona takeo amoron'ny farihy Izy. Efa nivôka tao reo mpanjono ary nanasa reo haratony. 3Niditra tao amin'ny sambokely raika tam'reo Jesosy, ze an'i Simona, ary nangataka an'azy mba handefa an'zany aigny amin'ny rano lavidavitry ny tanety. Avy teo de nipetraka Izy ka nampianatra reo ôla teo ivelan'ny sambokely.4Rafa nijanona nitare Izy, de niteny tamin'i Simona Izy hoe: "Endeso ho aigny amin'ny rano laligna ny sambokely de halatsao ny haratonareo mba ahazaônareo hazandrano." 5Simona namaly an'Azy ka nitare hoe: "Tompo ô, efa niasa nakeka ny andro zahay, fa tsy nahazo n'ino n'inona , fa nony teninao de havariko ndre reto haratoko." 6Rafa nataon-jareo zany, de nahazo hazandrano betsaka zareo, ary rovitra hatamin'ny haraton-jareo. 7Ka nagnantso an'reo namany izy mba hanampy an'jareo. De tonga zareo ka nameno ny sambokely rôy, ka de nanomboka nilentika zareo.8Fa Simona Petera, raha vô natazagna an'zany, de nekoka teo an-tongotr'i Jesosy, ary niteny hoe: "Melà aminà, fa leila mpanota za." 9Fa gaga izy, sy reo ze niaraka tamin'azy, non'ny hagedan'ny hazandrano ze azon'jareo. 10Tao agnatin'zany Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, ze mpiara miasa amin'i Simona. Jesosy nitare tamin'i Simona hoe: "Aza matatra, fa manomboka zao de hatôko mpagnarato ôla enao." 11Rafa nentin'jareo taigny an-tanety ny sambokelin'jareo, de namela ny ra daôly zareo ka nagnaraka an'Azy.12De nitranga izao raha mbola tao amin'ny tanàna raika Izy, de nisy leila feno habokana takeo. Nony natazanga an'i Jesosy izy, de nenkoka teo amin'Azy ary nitalao tamin'Azy, nagnano hoe: "Tompo, raha mety enao, de afaka magnadio anà." 13Ary de nagninjitra ny tagnany Jesosy ary nikasika an'azy ka nitare hoe: Mety za. Madiova." Teo no eo de afaka tamin'azy ny habokana.14Noferany izy mba tsy hilaza na am'iza na am'iza, fa nolazainy tamin'azy hoe: "Zory ny lalanao, mbôgna amin'ny mpisorogna ary magnanôva sorogna ho an'ny fanadiovana an'nao, araka ze nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona am'jareo."15Kanefa ny resaka momba an'Azy de niparitaka lavitra be, ary vôhaka betsaka be no niara-tonga mba hitaino an'Azy nampianatra ary mba ho sitrana amin'ny aretin-jareo. 16Kanefa matetika Izy de niala nankaigny amin'ny tany tsisy ngazagna ary nivavaka.17Ary tamin'ny andro raika tam'reo andro nampenarany, de nisy Fariseo sy mpampiana-dalàna nipetraka teo ze avy amin'ny tanàna samihafa akao amin'ny faritry Galilia sy Jodia, ary ihany kô avy akao amin'ny tanànan'i Jerosalema. Ny herin'ny Tompo no tao amin'azy mba hagnasitranana.18Ary nisy leila sasagny tonga, nitondra leila raika ze vôn'ny paralisisa teo amin'ny fandrena, ary zareo de nikaraka fomba fitondrana an'azy akao agnatiny mba hametrana an'azy ho akeo agnolôn'i Jesosy. 19Tsy nahita fomba hampidirana an'azy tao agnatiny izy reo noho reo vahôka, no zany de nankaigny amin'ny tamfo-tragno zareo ary nampidigna ny fandren'le leila avy akeo an-tafo tragno, tamin'ny fandreny, teo ampovôn'ny ôla, teo agnolôn'i Jesosy.20Rafa nahita ny finôn'jareo, de ozy Jesosy hoe: "Raleila, vôvela ny helokao." 21Nanomboka nagnontany reo mpanora-dalàna sy reo Fariseo, ka nitare hoe: 'Iza ma ty ze miteny ratsy ty? Iza no afaka mamela ny fahotany afa-tsy Andriamanitra rerika ihany?"22Fa Jesosy, nahalala ze neritreretin'jareo, namaly ary nitare an'azy reo hoe: "Nagnino anareo no magnontany an'zany akao am-ponareo? 23Ino no mora lazaina kokoa: "Vôvela ny helokao" sa ny meteny hoe: "Mitsangana ary madana?" 24Nefa mba hafantaranareo fa ny Zanak'Ôla de manam-paefana hamela heloka aketo an-tany, de lazaiko aminao, mitsangàna, ndeso ny fandrenanao ary mandana aigny an-tragnonao."25Teo eo de nitsangana teo agnolôn'jareo izy ary naka an'le fandrena ze natoreny. Avy akeo de niala nankaigny an-tragnony izy, nagnome voninahitra an'Andriamanitra. 26Gaga ny daôly ary nagnome voninahitra an'Andriamanitra zareo. Feno tatra zareo, nitare hoe: "Nahita ra-magaga tsika ngiany."27Tafaran'ny nitrangan'reo ra reo, de niala teo i Jesosy ka natazagna mpamory hetra raika ze antsovina hoe Levy nipetraka takeo amin'ny tragno lain'ny mpamory hetra. Nitare tamin'azy Izy hoe: "Magnarà Anà." 28De nitsangana i Levy ka nagnaraka an'Azy, da nametraka ny ra-daôliny.29De nagnao fagnasana geda be takao an-tragnony ho an'i Jesosy i Levy. Betsaka reo mpamory hetra sy reo ôla hafa ze nipetraka takeo amin'ny latabatra ary ninana niaraka tam'jareo. 30Kanefa reo Fariseo sy reo mpanora-dalàna de nitaraigna tam'reo mpianany, nitare hoe: "Nagnino enao no minana sy misotro miaraka am'reo mpamory hetra sy ny ôla mpanota hafa?" 31Namaly an'azy reo Jesosy hoe: "Tsy mila dokotera ny ôla salama; fa reo marary ihany. 32Tsy tonga hagnantso ny ôlo-marina ho amin'ny fibebana Za, fa hagnantso ny mpanota mba hibebaka."33De ozy zareo tamin'azy hoe: "Reo mpianatr'i Jaona de matetika mifady hanina sy mivavaka, ary reo mpianatr'reo Fariseo de magnano ôtran'zany kô. Kanefa ny mpianatrao de minana sy misotro." 34Jesosy nitare an'azy reo hoe: ''Nga ma misy ôla mavita mapifady hanina ny havan'ny mpampakatra raha tôka mbola mipetraka akeo am'jareo ny mpampakatra? 35Fa ho avy ny andro ze hangalana ny mpampakatra akeo am'jareo, ary am'zany andro zany de hifady hanina zareo."36De nagnano fagnoharana tam'jareo kô Jesosy. "Tsisy ôla mandrovitra tapa-damba avy amin'ny lamba vaovao ary mampiasa an'zany mba hagnamboarana ny lamba korô. Raha magnano an'zany izy, de hanimba le lamba vaovao, ary le tapa-damba avy am'le lamba vaovao de tsy hifanaraka am'le lamba korô.37Tsisy ôla magnisy divay vaovao akao agntin'ny siny hoditra korô. Raha magnano an'zany izy, de hampitretra ny hoditra le divay vaovao, ary de ho raraka ny divay, ary ho simba le siny hoditra. 38Fa ny divay vaovao de tsy maintsy atao akao agnatin'ny siny hoditra vaovao. 39Tsisy ôla avy nisotro ny divay talô ka hagniry ny vaovao, fa ozy izy hoe: "Le talô no tsara."
Chapter 6

1Ary tamin'ny Sabata de nande nankaigny an-tsabo Jesosy ary reo mpianatra naka salohim-bary, nikoseny taminny tagnan'jareo zany ary ninana ny voa. 2Fa ny sasgny tam'reo Fariseo kosa nitare hoe: "Nagnino nareo no magnano ra tsy ara-dalàna tsy manjary sy magnano ra amin'ny andro Sabata?"3Namaly an'jareo, Jesosy nitare hoe: "Mbola tsy novakinareo kô ma ze natôn'i Davida rafa nôna izy, sy ireo leila ze niaraka tamin'azy? 4Nande nakao an-dragnon'Andriamanitra izy, ary nandray ny mofon'ny fanatrena sy ninana ny ampany tam'zany, ary nameny ampany kô ny leila ze niaraka tamin'azy mba hinana, na de ny mpisorogna fôgna aza no araka ny lalàna raha minana an'zany." 5Avy akeo Izy nitare tam'jareo hoe: "Ny Zanak'Ola de Tompon'ny Sabata."6Ary tamin'ny Sabata hafa de nande takao amin'ny Synagoga Izy de nampianatra ny vahôka takao. Nisy leila raika maty tagnana an-kavanana takao. 7Nitazagna akeky an'Azy tsara reo mpanora-dalana sy reo fariseo mba hatazagnany raha hagnasitrana ôla amin'ny andro Sabata Izy, mba afahan'jareo mahita antony hempangana an'Azy. 8Kanefa fantany ze tao an-tsaign'reo ary nilaza tam'le leila ze maty tagnana Izy hoe: "Mitsangàna, ary mankanesa eto ampovôn'ny ôla daôly eto." Ka nitsangana le leila.9Jesosy nitare tam'jareo hoe: "Magnontany an'nareo za, ara-dalàna amin'ny Sabata ma ny fagnanôvana ny tsara sa ny fagnanôvana ny ratsy, ny manavotra aigna sa ny mamotika?" 10Ary nitazagna ny magnodidina an'azy daôly Izy ka nitare tam'le leila hoe: "Atsoro ny tagnanao." Nagnano an'zany izy, ary sitrana ny tagnany. 11Nefa feno asosena izy reo ary nifampiresaka momba an'ze hataon'jareo amin'i Jesosy.12Tam'zany andro zany de nande nankaigny an-tanety Izy mba hivavaka. Notoizany nandritra ny aligna magnotolo ny fivavana tamin'Andriamanitra. 13Rafa togna ny andro, nagnantso ny mpianany ho akeo amin'azy Izy, ary nifidy roambefolo tamin'reo Izy, ze nantsoviny ihany kô hoe Apostoly.14Ny agnaran'reo Apostoly reo de Simona ( ze antsovina hoe Petera), ary ny rahalany Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15Matio, Tomasy, Jakoba zanaka làn'i Alfeo, Simona ze antsovina hoe: Zelota, 16Jodasy zanak'i Jakoba ary Jodasy Iskariota, ze tonga mpamadika.17Avy akeo Jesosy nidigna ny tanety niaraka tam'jareo de nitsangana tamin'ny tany marimarina niaraka tamin'ny mpianany betsaka sy vahôka batsaka avy aigny Jodia sy Jerosalema ary ny sisin-tanin'ny Tyro sy Sidona. 18Tonga reo mba hitaigno an'Azy ary mba ho sitranina amin'ny aretin'jareo. Sitrana ihany kô ny vahôka ze nisaviritanin'ny fagna maloto. 19Ny ôla daôly tam'reo vahôka de niezaka ny hikasika an'Azy hatraigny satria nivôka avy tamin'Azy ny hery magnasitrana, ary sitrany avokô izy daôly.20De nijery ny mpianany Izy, ary nitare hoe: "Sambatra nareo ze mahantra, fa an'nareo ny fanjakan'Andriamanitra. 21Sambatra nareo ze nôna am'zao fotôna zao, fa ho voky nareo. Sambatra nareo ze mitomany am'zao, fa hiomehy nareo.22Sambatra nareo rafa hankalain'ny ôla daôly ary rafa ahilik'jareo sy haratsen'jareo, non'ny amin'ny Zanak'Ôla. 23Mifalia am'zany andro zany ary mibitaha an-kafalena, satria azo antoka fa hahazo valisô leibe aigny an-dagnitra nareo, fa mitovy am'zany no nitondran'ny razan'reo an'reo mpaminagny.24Fa loza ho an'nareo ze manan-karena, fa efa azonareo ze mahafa-po an'nareo. 25Loza ho an'nareo ze voky am'zao, fa mbola ho nôna nareo aigny afara aigny. Loza ho an'nareo ze mitsikikikiky am'zao, fa hisaogna sy hitomany nareo aigny afara aigny.26Loza ho an'nareo, rafa milaza tsara momba an'nareo ny ôla daôly, fa mitovy am'zany ny nataon'ny razan'jareo tam'reo mpaminagny sandoka.27Fa milaza aminareo ze mitaino Anà, tiavo ny favalonareo ary magnanôva ny tsara amin'ze mankahala an'nareo. 28Ampio ze magnozona an'nareo ary mivavaha ho an'reo ze magnano tsinotsinona an'nareo.29Raha misy mitefaka ny takolakao raika, de ameo an'azy kô ny ilavny. Raha misy ôla maka ny lambanao, aza mitagna na de ny akanjonao kô aza. 30Omeo ze daôly mangataka aminao. Raha misy ola maka ny ra ze an'nao, aza mangataka ny hamerenany an'zany aminao.31Ôtran'ze tenao hataon'ny ôla aminao, de tokony hataonao am'jareo kô zany. 32Raha ze ôla te an'nao fôgna no tiavinao, ino no soa ho azonao am'zany? Fa na ny mpanota aza mba te an'ze te azy kô. 33Rafa am'ze ôla magnano soa an'nao fôgna enao no magnano soa, ino no soa ho azonao am'zany? Fa na ny mpanota aza de magnano salan'zany. 34Raha tsy mampindrana afa-tsy am'ze ôla hatenaigna fa hamerina an'zany aminao fôgna enao, ino no soa ho azonao am'zany? Fa na ny mpanota aza mampindrana ny mpanota, mba hahazôgna salan'zany kô.35Fa teavo ny favalonareo ary magnanôva ny tsara ho an'azy regny. Mampidrama ka aza miandry valiny ary ho gedabe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra enao, fa Izy tegnanay de tsara fagna am'ze tsy misôtra sy ny ôla ratsy fagna. 36Manàgna famindram-po, ôtran'ny Rainareo mpamindra fo.37Aza mitsara, ary tsy ho tsaraina nareo. Aza manadiso, ary tsy ho disona nareo. Mamelà ny hafa, ary ho avela nareo.38Manomeza, de omena an'nareo zany. Fafoizana be - ze atafotafo miara-vôhotsana ary mitobaka no hararaka akeo am-pofônao. Araka ny famaharanareo, no hamaharana an'nareo salan'zany kô.39Avy akeo Izy nagnano fanoharana tam'jareo kô. Nga ma ny ôla jamba afaka mitarika ôla jamba hafa? Raha magnano an'zany izy, de mety hilatsaka aigny an-davaka izy rôy, sa tsy zany? 40Ny mpianatra raika de tsy leibe nony mpampianany, fa ze daôly nantanteraka ny fiofagnana de hitovy amin'ny mpampianany.41Fa magnakôry enao no mijery ny sombin-kazo kely ze akao agnatin'ny mason'ny rahalanao, kanefa tsy matsikaritra ny vatan-kazo akao agnaty masonao? 42Ahôna no itenenanao ny rahalanao hoe: 'Ry rahala, mamelà anà hagala ny sombin-kazo akeo amin'ny masonao eo io,' rafa tsy tazagnao akory ny vatan-kazo akeo amin'ny masonao? Ry mpetsaravelatsy! Alao akeo amin'ny masonao alô ny vatan-kazo, avy akeo hatazana enao ka afaka hagala ny sombin-kazo akeo amin'ny mason'ny rahalanao.43Fa tsy misy kakazo tsara hamokatra vôkazo lo, na hoe kakazo lo hamokatra vôkazo tsara. 44Fa ny kakazo tsiraikaraika de fantatra amin'ny karazam-bôkazo ze vokariny. Fa tsy afaka ny haka aviavy amin'ny tsilo ny ôla, na haka vôloboka amin'ny hazona vôroy.45Ny ôla tsara mamokatra ze tsara avy amin'ny harena soan'ny fony, ary ny ôla ratsy mamokatra ze ratsy avy amin'ny haren-dratsin'ny fony. Fa ze avôkan'ny fony no tenenin'ny vavany.46Fa maninona nareo no miantso Anà hoe: "Tompo, Tompo,' kanefa nareo tsy mankatô ze ra taraviko? 47Ny ôla daôly magnatona Anà sy mareigny ny teniko ary mankatô an'zany, de ho lazaiko an'nareo hoe ôtran'ny ino izy. 48Salan'ny ôla ze nanangana tragno izy, ze nandavaka laligna teo amin'ny tany ary nagnorina ny fototry ny tragno teo ambony vatolamy. Rafa tonga ny tondra-drano, de nandreka nanohitra an'zany trano zany ny rano be, fa tsy nampiontsona an'azy, satria tsara orina le izy.49Ary ze ôla mareigny ny teniko nefa tsy mankatô an'zany, de salan'ny ôla ze manangana tragno teo ambonin'ny tany ka tsy nagnisy fototra. Rafa nandreka namely io trano io ny rano be, de nirodana, ary rava tanteraka zany tragno zany?
Chapter 7

1Rafa navita nitare ny ra daôly takeo agnatrehan'ny vahôka Jesosy, de niditra tao Kapernaomy Izy.2Ary nisy kapiteny raika nanagna mpanompo ze tegna najaigny, ary narary sy efa ankeky ho foaty izy. 3Rafa naregny ny momba an'i Jesosy le kapiteny, de nagniraka lôholon'ny Jiosy ho aigny amin'Azy izy, hangataka an'Azy mbô ho avy ary hagnasitrana ny mpanompony. 4Ary rafa tonga takeo amin'i Jesosy zareo, de nangataka mafy tamin'Azy, nitare hoe: "Mendrika ny hagnanôvanao an'zany ho an'azy izy,5 satria teny ny firenenay, ary izy le nagnambôtra ny Synagoga ho an'nay."6Ka de nanohy ny lalany niaraka tamin-jareo Jesosy. Fa raha mbôla tsy lavitra ny tragno Izy, de nandefa namana le kapiteny nitare tamin'Azy hoe: "Tompo ô, aza misahirana Anao, satria tsy mendrika hidiranao akao ambanin'ny tafon-tragnoko za.7 Noho zany de tsy nihevitra ny tegnako ho mendrika hankeo aminao za, fa mitinena teny raika fôgna de ho sitragna ny mpanompoko.8 Ka satria za kô de leila ze ambany faefana, managna miaramila akao ambaniko kô. Ozy za am'ty raika ty hoe: "Mandiana," de mande izy, ary amin'ny raika hafa: "Ave," de avy izy, ary amin'ny mpanompoko hoe: "Ataovo ty," ary de ataony zany."9Rafa naregny an'zany Jesosy, de gaga tamin'azy Izy, ary nitodika tam'reo vahôka ze nagnaraka an'Azy de nagnano hoe: "Taraviko aminareo, fa na de taigny Israely aza tsy nahitako finoana ôtran'zao." 10Rafa niverina taigny an-tragno reo ze nirahana, de nahita fa salama tsara le mpanompo.11Tafara kelin'zany, de nande taigny amin'ny tanàna atao hoe Naina i Jesosy, ary niaraka tamin'azy reo mpianany sy reo vahôka betsaka be. 12Raha nagnankeky ny vavahadin'ny tanàna Izy, indro, nisy leila raika efa maty nentina nivôka, zanaka lahitokan'ny reniny (ze magnanotegna), ary vahôka betsaka be avy akao amin'ny tanàna no niaraka tamin'azy.13 Nony natazagna an'azy ny Tompo, de nangoraka tanteraka an'azy ka nagnano tamin'azy hoe: "Aza mitomagny." 14Avekeo de niakatra Izy ary nikasika an'le vata ze nitondran-jareo an'le razagna, ary nijanona reo nitondra an'zany. Ozy hoe: "Ô gaogna, ozy Za aminao, merena." 15De nifô le maty ka nanomboka nikoragna, ary Jesosy nanolotra an'azy takeo amin'ny reniny.16Nandresy an'azy daôly ny tatra, ka nanohy nidera an'Andriamanitra hatraigny zareo, nitare hoe: "Mpaminagny lehibe no natsangana aketo amintsika" ary " Andriamanitra nitsinjo ny ôlony." 17Ty vaovao momba an'i Jesosy ty de niparitaka nagnerana an'i Jodia sy reo faritra magnodidigna daôly.18Reo mpianatr'i Jaona nitare tamin'azy ny momba reo ra reo. 19De nagnantso rôy tam'reo mpianany Jaona ka nagniraka an-jareo ho akaigny amin'ny Tompo mbô hitare hoe: "Anao ma le ho avy, se tokony mbôla hijery hafa zahay?" 20Ary rafa nagnatona ankeky an'i Jesosy zareo, de ozy reo leila hoe: "Jaona mpagnano batisa no nagniraka an'nay aty aminao hagnontany hoe: "Anao ma le ho avy, se tokony mbôla hijery hafa zahay?"21Ary tam'zany ora zany de nagnasitrana ôla maro tamin'ny aretina sy faorina ary fangnaintainagna avy am'reo fagnahy ratsy Izy, ary ôla jamba betsaka no nampahiratiny.22 Jesosy namaly ka nitare tamin-jareo hoe: "Rafa avy nande tamin'ny lalanareo anareo, tatero amin'i Jaona ze hitanareo sy regninareo. Nahirtra ny jamba, nande ny malemy, nadio reo boka, naregny ny marenina, nitsangan-ko velona ny maty, ary nitoriana ny filazantsara ny ôla agnatin'ny tsy fampena. 23Sambatra ny ôla ze tsy mitsahatra ny mino Anà nohon'ny ataoko."24Ary nony lasa reo irak'Jaona, de nagnomboka nitare tamin'ny vahôka Jesosy ny momban'i Jaona hoe: "Hitazagna ino no nivoanareo taigny agn'efitra? Volotara nahozongozon'ny rivotra ma? 25Se hijery ino no nivohanareo taigny? Leila mekanjo tsara ma? Jereo, reo ze mitafy akanjo lafo vidy sy reo miaigna akao amin'ny fiaignana soa de akao amin'ny lapan'ny mpanjaka. 26Fa hijery ino no nivohanareo taigny? Mpaminagny ma? Yôny, ozy Za aminareo, ary mihôtra lavitra noho ny mpaminagny.27Izy no le vôsoratra hoe: "Indro, alefako melô an'no ny mpitondra hafatro, ze hagnomana ny lalanao melô an'nao." 28Taraviko aminareo, fa aminareo ze natera-bevavy de tsisy geda noho Jaona. Nefa le kely ndrindra akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra de geda noho izy."29(Rafa naregny an'zany ny ôla daôly, agnisan'zany reo mpamory hetra, de nagnambara fa marina Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona zareo. 30Fa reo Fariseo sy reo mpahay lalàna Jiosy kosa nandà ny tanjon'Andriamanitra ho an'ny tegnan-jareo, satria tsy nataon'i Jaona batisa.)31"Amin'ny ino, no afako mampitovy ny ôla am'ty taranaka ty? Salan'ino ma zareo?32 Salan'ny ankizy milalao aigny an-tsena zareo, ze mipetraka sy mifagnantso ary mikoragna hoe: "Nitsoka sodina ho an'nareo zahay, de tsy nandihy anareo. Nagnano hira fisaorana ho an'nareo zahay, de tsy nitomany anareo."33Fa Jaona mpagnano Batisa tonga tsy nihinana mofo ary tsy nisotro divay, de ozy anareo hoe: "Misy demonia izy." 34Ny Zanak'Ôla tonga nihinana sy nisotro, de ozy anareo hoe: "Jerevo, fa tendan-kanina sy mpisotro Izy, naman'reo mpamory hetra sy mpagnota!"35 Fa ny fahendrena de vômarina amin'ny zanagny daôly."36Ary ny raika tam'reo Fariseo nagnasa an'iJesosy hisakafo miataka tamin'azy. Ka rafa avy niditra takao an-tragnon'le Fariseo Jesosy, de nipetraka hinana teo amin'ny latabatra.37 Indro, nisy vevavy tao an-tanàna ze mpagnota. Ary rafa natsikaritra izy fa nipetraka takeo amin'ny latabatra tao amin'ny tragnon'le Fariseo Izy, de nitondr tavoara alabastara feno menaka magnitra izy. 38Ary raha nitsangana tafarany takeo ankekin'ny tongony izy, de nitomagny, ka nanomboka nandena ny tongony tamin'ny ranomasony, ka de nifafany tamin'ny volon-dôny reo sady nagnoroka ny tongony ary nagnosotra reo tamin'ny menaka magnitra.39Rafa natazagna an'zany le Fariseo nanasa an'i Jesosy, de nieritreritra, nitare hoe: "Raha mpaminagny ty leila ty, de tokony ho fantany hoe karazagn vevavy magnakôry io mikitika an'azy io, fa mpagnota io."40 Jesosy namaly ka nitare tamin'azy hoe: "Simona, misy ra ho tineniko aminao." Ozy hoe: "Lazao zany, Mpampianatra ô!"41Jesosy nitare hoe: "Nisy mpampindram-bola manana mpitrosa rôla. Ny raika de tokony andô diman-jato denaria, ny raika dimampolo.42 Rafa tsy afaka nagnefa an'zany tamin'azy zareo, de samy navelany izy rôla. Noho zany, iza amin'izy rôla ma no ho tia an'Azy kokoa?" 43Simona namaly an'Azy ka nitare hoe: "Heveriko fa le namoizany be." De ozy Jesosy tamin'azy hoe: "Marina ny fitsaranao."44Ary Jesosy nitodika taigny am'le vevavy ka nitare tamin'i Simona hoe: "Tazagnao io vevavy io. Niditra tato an-tragnonao Za. Tsy nagnome rano hanasagna ny tongotro anao, fa izy nandena reo tongotro tamin'ny ranomasony ary namafa an'azy tamin'ny volon-dôny. 45Tsy nagnoroka Anà anao, fa hatram'ze nidirako tato de tsy nitsahatra nagnoroka ny tongotro izy.46Tsy nosoranao diloilo ny lôhako, fa izy nagnosotra ny tongotro tamin'ny menaka magnitra. 47Noho zany de milaza aminao Za fa, reo fahotany, ze betsaka, de vôvela - satria izy be fitiavana. Fa ze navela kely, de te kely."48De Ozy tamin'azy hoe: "Vôvela reo fahotanao." 49Reo niara-nipetraka nihinana takeo de nagnomboka nifampiresaka takeo amin-jareo hoe: "Iza ma Ty no de mamela reo heloka?" 50Avekeo ozy Jesosy tamin-dravevavy hoe: "Ny finoanao no nahavonjy an'nao. Mandehana am-piadanana."
Chapter 8

1Ary tafarakelin'zany de nanomboka nande nitety tanàna sy vohitra samihafa Jesosy, nitory sy nagnambara ny filazantsara momba ny fanjakan'Andriamanitra. Niaraka tamin'Azy reo rombefolo lahy,2 salan'reo vevavy sasagny ze sitragna tamin'ny fagnahy ratsy sy ny aretina; Maria ze antsovina hoe Magdalena, ze efa namoàhana demonia fito; 3Johana, vadin'i Koza, ze mpitan-draharahan'i Heroda, ary Sosana; sy reo maro hafa kô, ze, tamin'ny fanagnan-jareo, de nagnome ze nilain-jareo.4Raha mbôla nisy vahôka betsaka nitandrorogna, de avy nagnatogna an'Azy reo ôla avy tamin'ny isan-tanàna, de nagnano fagnoharana izy hoe: 5"Nisy mpamboly nivôka mbô hamafy ny voany. Raha izy namafy igny, de vôfafy taigny amoron-dalana ny sasagny ary de vôkitsakitsaka zany, ary lanin'ny vorogn'ny lagnitra. 6Ny sasagny kosa vôfafy taigny amin'ny vatolampy, ka raha vô nitsimoka, de nalazo zany, satria tsisy hamandôna.7Ary ny sasagny de vôfafy takeo amin'ny tsilo, ary ny tsilo niara-nagniry tamin'ny voa ka nangeja an'zany. 8Ny sasagny vôfafy taigny amin'ny tany lonaka ka namoa vokatra ze tsara lavitra reo ra reo, de nagnantso mafy Izy hoe: "Ze managn-tsofigna hitandrinesana, ôka izy hihaino."9Nagnontany an'Azy reo mpianany ny amin'ny ten'zany fagnoharana zany lazaina.10 Ozy hoe: "Ny falalana ny ra misitrika an'ny Fanjakan'Andriamanitra de namena an'nareo, fa ho an'ny hafa de mikoragna amin'ny fagnoharana Za, mbô tsy hatazagna zareo na de mahita aza, ary tsy hafantatra na de naregny aza."11Ary zao no dikan'le fagnoharana: ny voa de ny tenin'Andriamanitra. 12Reo vôfafy taigny amin'ny sisin-dalana de reo ze maregny, saingy avekeo de tonga ny devoly ka miaka an'le teny takao am-pony, mbô tsy hino sy ho vôvonjy zareo. 13Ary reo takeo amin'ny vatolampy kosa de reo ze, rafa naregny ny teny, de mandray an'zany am-pifalena. Nefa tsisy fakany reo; vetiketika fôgna ny finoan-jareo, ary amin'ny fotôna fitsapana de lavo zareo.14Reo voa vôfafy takeo amin'ny tsilo de reo ôla maregny ny teny, fa rafa mande amin'ny lalany zareo, de vôgejan'ny fiahiana sy ny harena ary ny fafinaretan'zao fiaignana zao, ka tsy matoy nt voany. 15Fa ny voa vôfafy tamin'ny tany tsara, de reo no, maregny ny teny tamin'ny fo marina sy tsara, ary zareo mitàna an'azy tsara ary namokatra am-paharetana.16Ary, tsisy ôla, rafa nampiretra jiro, de magnarona an'azy amin'ny sorony na mametraka an'zany akao ambany fandrena. Fa kosa, mametraka azy akeo amin'ny fagnanôvan-jiro, mbô ho hitan'ny ôla daôly ze miditra ny hazavana. 17Satria tsisy takona ze tsy ho ampafantarina, na ra miafina ze tsy ho fantatra ary habôgna akeo amin'ny hazavagna.18 Ka mandrinesa tsara, ze managna, de mbôla amena bebe kokoa, fa ho an'ze tsy managna kosa, na ze haveriny hanagnany aza de ho esorina amin'azy."19Avekeo ny reniny sy ny ralahiny nagnatona an'Azy, nefa tsy afaka nanankeky an'Azy nohon'ny vahôka. 20Nisy nilaza tamin'Azy hoe: "Ny reninao sy ny ralahinao de mitsangana akao avelany, te hahita an'nao." 21Fa Jesosy namaly sy nitare tamin'jareo hoe: 'Ny reniko sy ny ralahiko de reo ze maregny ny tenin'Andriamanitra sy magnano an'zany."22Ary ndray andro de nande an-tsambokely Izy niaraka tam'reo mpianany, ary Izy nilaza tamin-jareo hoe: "Andao tsika ho aigny ampitan'ny farihy." De lasa zareo. 23Fa raha nande igny zareo de resi-tory Jesosy. Ary nisy tafio-drivotra tonga takeo amin'ny farihy, ka feno rano ny sambokely, ary notandindomin-doza zareo.24Avekeo nankeo amin'Azy ka namô an'Azy reo mpianatr'i Jesosy, nagnano hoe: "Tompo ô! Tompo ô! Ho foaty tsikana!" Ary nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sy ny rano manonja, ary nitsahatra reo, ka nisy fitoniana takeo. 25Ary nitare tamin-jareo Izy hoe: "Aiza ny finoanareo?" ary natatra mafy zareo. Ary natatra no sady gaga iany kô zareo, ary nifampagnontany hoe: "Iza ma le io, no mandidy na ny rivotra sy ny rano aza, ary maneky an'Azy reo?"26Zareo de nihazo ny faritr'i Gerasena, ze tandrifin'ny farihin'i Galilea. 27Ary rafa niakatra hankaigny an-tanety Jesosy, de nifanena tamin'ny leila raika avy takao an-tanàna ze nisy demonia. Ary efa ela izy no tsy nekanjo, ary tsy nipetraka takao an-tragno fa taigny amin'ny fasagna.28Rafa natazagna an'i Jesosy izy, de nikikika mafy sy nenkotra takeo agnolôny ka nitare tamin'ny feo mafy hoe: 'Ino no iraisanao aminà, ry Jesosy, zanak'Andriamanitra Avo ndrindra ô? Mengavy An'nao za, aza mampijaly anà." 29Fa Jesosy nandidy ny fagnahy maloto hiala takao am'le leila. Fa efa nandritry ny fotôna maro no nangeja an'azyzany, ka na de nofatorana tamin'ny rojo sy gadra vy ary nambesana aza izy, de nopotehiny reo rojony ary nentin'ny demonia taigny agn'efitra izy.30Jesosy nagnotany an'azy hoe: "Iza no agnaranao? Ary ozy hoe: "Legiona," fa maro ny demonia zay efa niditra takao amin'azy. 31Zareo nengavy an'Azy hatraigny mbô tsy andefa an'azy ho aigny amin'ny lavaka tsy hita naoanoa.32Ary nisy andia-kisoa betsaka nirôtra takeo ankekin'ny tanety. Ka nengavy an'Azy le demonia mbô hamela an-jareo ho akao am'reo, ka namela an'azy Izy. 33Ka nivôka takao am'le leila reo demonia ary nifindra takao am'reo kisoa, ary nitratrevatreva taigny amin'ny tevagna nankao amin'ny farihy reo andian-kisoa ka maty.34Ary nohon'ny natazagna ny ra nitranga reo mpiambina ny kisoa, de niazakazaka ka nilaza an'zany takao an-tanàna sy taigny an-tsaha.35 Noho zany de nivôka ny mponina takao an-tanàna mbô hijery ny ra mitranga, ary nagnatona an'i Jesosy zareo ka natazagna an'le leila ze nivoahan'ny demonia. Ary izy nipetraka takeo an-tongotr'i Jesosy, nitafy ary salama saigna; ary raiki-tatra zareo.36Avekeo reo ze natazagna an'zany nilaza an-jareo ny fomba nahasitrana an'le leila nanjakan'ny demonia. 37Ary ny vahôka daôly takeo amin'ny faritanin'i Gerasena de nangataka an'i Jesosy mbô hiala akeo amin-jareo, satria feno tatra mafy zareo. Noho zany de nande an-tsambokely Izy mbô afahan'jareo miverina.38Le leila nivoahan'ny demonia de nengavy tamin'Azy mbô hamela an'azy ande hiaraka amin'Azy, fa Jesosy nandefa an'azy, nitare hoe:39 "Miveregna aigny an-tragnonao ka magnomeza tatitra feno momba an'ze nataon'Andriamanitra taminao." Ary le leila nande tamin'ny nanay, de nambara manerana ny tanàna daôly ze nataon'i Jesosy tamin'azy.40Ary rafa niverina Jesosy, de nandray an'azy ny vahôka, fa zareo de efa niandry an'Azy.41 Indro, nisy leila raika atao hoe Jairo, ze raika tam'reo mpitarika takao amin'ny Synagoga, nagnatona sy nenkotra takeo an-tongotr'i Jesosy, ka nengavy an'Azy mbô ho aigny an-tragnony, 42satria ny zanany vavy tokana, ze zazavavy teo amin'ny rombefolo taona teo ho eo, de akeo ambavahôn'ny fafatesana. Raha nande tamin'ny lalany Jesosy, de niara-nifagneritery magnodidigna an'Azy ny vahôka betsaka be.43Ary nisy vevavy raika takeo ze efa nande rà nandritry ny rombefolo taona ary efa nandany ny volany daôly, [Fagnamarihana: Reo manam-pahaizana de mizarazara hevitra raha tokony ampidirina aketo ny fehezanteny hoe: "Nandany ny volany daôly (izy)] ary tsy nisy nahasitrana an'azy n'iza n'iza. 44Ary izy de nankeo afaran'i Jesosy ka nikasika any rambon-dambany, de nijagnona avy hatraigny ny ràny.45Jesosy nitare hoe: "Iza ma le nikasika Anà takeo?" Rafa nandà ny daôly, de ozy Petera hoe: "Tompo, magnodidina An'nao avokoa ny vahôka daôly ary manery An'nao." 46Fa Jesosy nitare hoe: "Nisy nikasika Za, satria fantatro fa nisy hery niala avy takato aminà."47Rafa hitan'le vevavy fa tsy takona izy, de nangovitra izy ary nenkotra takeo amin'Azy. Nambarany takeo amason'ôla ny antony nikasihany an'Azy, sy ny fomba nahasitrana an'azy avy hatraigny. 48Ary Izy nitare tamin'azy hoe: "Ry zaza vavy, ny finoana no nahasitrana an'nao. Mandiana am-pedanana."49Avekeo raha mbôla nikoragna izy, de nisy ôla raika avy amin'ny tragnon'ny mpitarika synagoga, nagnano hoe: "Maty ny zanakao vavy. Aza magnahirana ny mpampianatra tsony."50 Fa rafa naregny an'zany Jesosy, de namaly an'i Jairo Izy hoe: "Aza matatra, minoa fotsiny iany, de ho sitrana izy."51Rafa nankao an-tragno Izy, de tsy namela na de ôla raika aza hiara-hiditra amin'azy ankôtran'i Petera sy Jaona sy Jakoba, sy ny rain'le zaza ary ny reniny. 52Ary ny daôly de nisaona sy nitomagny an'azy, 53fa Izy nitare hoe: "Aza mitomagny; tsy maty izy fa matory." De nihome an'Azy zareo, satria fantatra fa maty le zaza vavy.54Fa noraisiny tamin'ny tagnana izy ka nagnantso mafy, nitare hoe: "Anaka, mitsangàna!" 55Ary niverina ny fanahiny, ka niharina avy hatraigny izy. Ary nibaiko an-jareo Izy mbô hagnome ahanina ho an'azy.56 Ary gaga ny Ray aman-dreniny, fa Izy kosa nandrara an-jareo mbô tsy hilaza na amin'iza n'iza ny ra ze nitranga.
Chapter 9

1Nagnantso reo roa ambin'ny folo lahy Izy ary nagnome an-jareo ny hery sy faefana am'reo demonia daôly ary hagnasitrana reo aretina. 2Nalefan-jareo hitory ny Fanjakan'Andriamanitra sy hagnasitrana ny marary.3Ozy tamin-jareo hoe: "Aza mitondra na ino na ino amin'ny denareo - tsisy anjera, tsisy kitapom-batsy, tsisy mofo, tsisy vola, ary tsisy akanjo fagnampiny. 4Ze tragno idiranareo, de mijanona akao mandra-pialanareo.5N'iza n'iza tsy handraisan-jareo an'nareo, rafa mandao zany tanàna zany anareo, de ahintsagno hiala amin'ny tongotrareo ny vovoka mbô fijorôna vavolombelona an-jareo.6 Avekeo de lasana zareo ary namakivaky reo tanàna, nitory ny filazantsara sy nagnasitrana taigny daôly taigny.7Ary regnin'i Eroda mpanjaka avokoa reo ze nitanga daôly, ary de very hevitra izy satria voalazan'ny sasagny fa Jaona mpagnano batisa de nitsangana tamin'ny maty, 8ary vôlaza fa nibôgna Elia, ary ny sasagny kosa nilaza fa raika tam'reo mpaminagny talô no nitsangana tamin'ny maty. 9Ozy Eroda hoe: "Za no nanapa-dô an'i Jaona, ka iza ndre zany ôla andregnesako ra salan'zany?" Ary niezaka hahita an'Azy izy.10Rafa niverina reo Apostoly, de nitantara tamin'Azy reo ra daôly vitan-jareo. Avekeo nentiny niaraka tamin'azy zareo, ary nandeha nitokana ho amin'ny tanàna antsovina hoe Betsaida. 11Fa vô nandregny ny momba an'zany reo vahôka, de nagnaraka an'Azy. De noraisiny zareo ary nambarany an-jareo ny momba ny Fanjakan'Andriamanitra, ary nagnasitrana reo ze nila fagnasitranana Izy.12Ary rafa ho hariva ny andro, de nagnontogna an'Azy reo roa ambin'ny folo ka nitare hoe: " Alefaso andeha reo vahôka mbô, ahafahan-jareo mandeha aigny am'reo tanàna magnodidigna sy ambanivohitra mbô hahita fatorena sy ahanina, satria aty amin'ny tany fôgna isika." 13Fa ozy tamin-jareo hoe: "Amenareo ra hoanina zareo." Ary nitare reo hoe: "Tsisy managna mihotra noho ny mofo dimy sy hazan-drano rôy zahay - raha tsy hoe mandeha zahay ary mividy ahanina ho an'reo ôla daôly reo." 14[Takeo de nisy leila dimy arivo teo eo]. Ary nilaza tam'reo mpianany Izy hoe: "Apetrao ho vondrogna dimam-polo isan'isany zareo."15Ka de nagnano zany zareo, ary nampipetraka reo vahôka. 16Nandray reo mofo dimy sy hazan-drano rôy, de niandrandra ny lanitra Izy, nisaotra reo ary nozarazarany, ka de nameny an'reo mpianatra zany mbô hotolorana am'reo vahôka. 17Nihinana izy daôly ka afa-po, ary nangonina reo sisa tsy lany - ka nisy sombintsombiny roambin'ny folo harogna.18Ary rafa nivavaka manokana Jesosy, de niaraka tamin'Azy reo mpianatra. De nagnontany an-jareo Izy, nagnano hoe: "Ataon'reo vahôka ho iza ma Za?" 19Namaly zareo hoe: "Jaona mpagnano batisa. Fa reo sasagny nilaza hoe Elia, ary reo sasagny milaza fa nitsangana tamin'ny maty ny raika tam'reo mpaminagny talô."20Ary nitare tamin-jareo Izy hoe: "Fa ataonareo ho iza ma Za?" Namaly Petera hoe: "Le Kristin'Andriamanitra." 21Fa noraràny mafy zareo tsy hilaza zany na amin'iza na amin'iza,22 nagnano hoe: "Ny Zanak'ôla de tsy maintsy hijaly amin'ny ra betsaka ary ho lavin'reo lôholona sy lôhan'ny mpisorogna ary reo mpanora-dalàna, jo vonony Izy ary amin'ny andro fahatelo de hatsangana."23Ary ozy tamin-jareo daôly hoe: "Raha misy te hagnaraka Anà, de tsy maintsy mandà ny tegnany izy ary mitondra ny hazofijaliany isan'andro ary magnaraka Anà. 24N'iza n'iza te hagnavotra ny aignany de hagnary zany, fa n'iza n'iza magnary ny aigny noho ny fitiavana Anà de hagnavotra zany. 25Ino ma no tsara azon'ôla amin'ny fanagnana zao tontolo zao, kanefa magnary na mamotika ny aignany?26Fa n'iza n'iza megnatra ny aminà sy reo teniko, de ho megnatra an'azy kô ny Zanakôla rafa tonga amin'ny voninahiny, sy ny voninahitry ny Ray sy reo anjely masina Izy. 27Fa lazaiko marina aminareo, fa ny sasagny am'reo ze mitsangagna aketo de tsy hahita fafatesana melôn'ny ahitany ny fanjakan'Andriamanitra."28Ary valo andro teo eo tafaran'ny nilazan'i Jesosy reo teny reo, de nentiny niaraka tamin'Azy Petera sy Jaona ary Jakoba ka niakatra ny tanety hivavaka. 29Raha nivavaka iny Izy, de niova ny endriky ny tareny, ary nivadika fotsy manjelanjelatra ny akanjony.30Indro, nisy rô lahy niresaka tamin'Azy, Mosesy sy Elisa, 31ze nibôgna tamim-voninatra mamirapiratra. Nikoragna momba ny fialàny Izy, ze ho entiny ho tanterana aigny Jerosalema.32Ary Petera sy reo ze niaraka tamin'Azy de navesatry ny torimaso, fa rafa tegna taitra tanteraka zareo, de natazagna ny voninahiny sy reo leila rôy ze nitsangana niaraka tamin'Azy. 33Ary rafa niala nagnalavitra an'i Jesosy zareo, de ozy Petera tamin'Azy hoe: "Tompo, tsara amintsika ny mijanona aketo. Avelao zahay hagnambôtra felofana telo, raika ho an'nao, raika ho an'i Mosesy, ary raika ho an'i Elia." (Tsy fantany ze no lazainy.)34Takeo am-pitinenanny an'zany izy, de nisy rôndro tonga nagnarona an-jareo, ka de natatra zareo rafa niditra takao am'le rôndro.35 Nify feo nivôka avy taigny am'le rôndro, nagnano hoe: "Ty no Zanaka Lahiko, Le Raika ze vôfidy; henoy Izy." 36Rafa nikoragna le feo, de Jesosy rerika no tazagna takeo. Nitàna ny fanginany zareo ary tsy niteny tamin'iza tam'zany andro zany ny momba ze daôly hitan-jareo.37Ary ny andro magnaraka an'io, rafa nidigna avy taigny an-tendrombotra zareo, de vahôka betsaka no nifanena tamin'Azy.38 Indro, nisy leila raika avy tao amin'ny vahôka no nikika mafy, nagnano hoe: "Ry mpampianatra ô, mptalaho aminao za mbô hijeryty zanakao lahy ty, fa zanako tokana izy. 39Hitanao, misy fanahy mibaiko an'azy de mikika tampoka izy; mampifanintona an'azy zany ka mampamôka rôtra ny vavany. Tsy miala amin'azy zany ary mandreraka tanteraka an'azy. 40Nitalaho tam'reo mpianatao za mbô hangala an'zany, fa tsy afak'zareo."41Namaly Jesosy ka nagnano hoe: "Aareo tsy mpino sy taranaka ratsy fitondran-tegna, hafirina ma no tsy maintsy hipitrako miaraka aminareo sy hiaretako miaraka aminareo? Ento makaty ny zanakao lahy." 42Rafa nagnantona le zaza lahy, de natsipin'ny demonia tamin'ny tany izy ary nampihinjitsinjitra an'azy. Fa Jesosy niteny mafy le fanahy maloto ary nagnasitrana le zaza lahy, ary namerina an'azy tany amin'ny rainy.43Ary avekeo de gaga avokoa izy daôly natazagna ny haleben'Andriamanitra. Raha fafa tamin'ny ra daôly nataony iny zareo, de ozy tamin'ny mpianany hoe: 44"Avelao reto teny reto ho tonga lalina akao an-tsofignareo: 'Ny Zanak'Ôla de havadika akeo an-tagnan'ôla."45 Fa tsy azon-jareo zany fagnambarana zany. Zany de nafenina tamin-jareo noho zany de tsy azon-jareo ny dikan'zany, ary mbôla natatra zareo ny hagnontany ny momba zany fagnambarana zany.46Avy akeo de nisy fifandirana nanomboka takeo amin-jareo ny am'zay ho geda ndrindra amin-jareo.47 Fa Jesosy, nafantatra ny fihevitra takao am-pon-jareo, de niaka zazakely raika ka napetrany takeo agnilany, 48ary nitare tamin-jareo hoe: "Fa na iza mandray ty zaza ty amin'ny agnarako, de mandray Anà; ary n'iza n'iza mandray Anà, de mandray le Raika ze nagniraka Anà. Fa ze kely ndrindra aminareo daôly no geda."49Jaona namaly hoe: "Tompo ô, nahitan ôla zahay nagnala demonia tamin'ny agnaranao de nosakananay izy, satria izy tsy magnara-dé miaraka aminay." 50"Aza raràna izy," ozy Jesosy, "satria tsy magnohitra an'nareo de momba an'nareo."51Rafa nagnakeky ny andro ampekarana an'Azy, de nitodika ho aigny Jerosalema Izy.52 Nandefa mpitondra hafatra Izy helôha an'Azy, ary nande zareo ka niditra takao amin'ny tanàna Samaritana raika mbô hagnomana ny ra daôly ho an'Azy.53 Fa ny vahôka tao tsy nandray an'Azy, satria nitodika ho aigny Jerosalema Izy.54Rafa nahita zany Jakoba sy Jaona mpianatra, de ozy zareo hoe: "Tompoko, tenao ma zahay raha handefa afo milatsaka avy aigny an-dagnitra mbô hamotika an-jareo?"55 Fa nitodika izy de niteny mafy tamin-jareo, 56ary lasana taigny amin'ny tanàna hafa zareo.57Ary rafa nande taigny an-dalana zareo, de niso ôla raika nagnano tamin'azy hoe: "Hagnaraka An'nao za n'aiza n'aiza andiananao." 58Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Ny amboahaolo manan-davaka, ary reo vorona aigny an-dagnitra de managna ny akanany, fa ny Zanak'Ôla tsy managna tôrana asina ny lôhany."59Ary Ozy tamin'ny hafa hoe: "Magnarà Anà." Fa ozy hoe: "Tompoko, avilao za aloha hande handevigna ny raiko." 60Fa Ozy tamin'azy hoe: "Avilao ny maty handevina ny maty akao amin'azy. Fa ho an'nao, mandiana ka mitoria aigny lavitra aigny ary hitaro ny fanjakan'Andriamanitra."61Ary nisy ôla hafa nagnano hoe: "Hagnaraka An'nao za, Tompo, fa avilao lô za hagnano veloma reo aigny an-dragnoko."62 Jesosy namaly an'azy hoe: "Tsisy ôla mitàna angady ary miherika ka mendrika ho akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."
Chapter 10

1Ary tafaran'regny ra regny, de nifidy fitopolo là ( Fagnamarihana: Maro am'reo fandikana talô tsara indrindra no mivaky hoe: "Fitopolo", Fa ny sasagny mivaky hoe: "Roam-fitopolo.") hafa ny Tompo, ary nandefa an'azy regny tsiroroa nelô an'Azy taigny amin'ny tanàna sy tôrana ze efa handianany. 2Ozy Izy tam'jareo hoe: "Be ny vokatra, fa vitsy ny mpiasa. No zany hangataho ny Tompon'ny vokatra mba handefa mpiasa mba ho aigny amin'ny vokatra.3Mandiana amin'ny lalanareo. Zahao, alefako salan'ny zanak'ondry akeo ampovôn'ny ambôdia anareo. 4Aza mitondra fitôram-bola, na fitôran'entana, na kapa, ary aza miarahaba n'iza n'iza aigny an-dalana.5Ze tragno hidiranareo, lazao alô hoe: 'Fedanana anie ho am'ty trano ty! 6Raha misy ôlon'ny fedanana akao, de hitôtra am'azy ny fedanana ze lazainareo, fa raha tsisy kosany, de hiverigna aminareo zany. 7Mipetra akao am'io trano io fôgna, minàna sy misotro ze omen'jareo, fa ny mpiasa de mendrika ny karamany. Aza mifidrafindra tragno.8Fa am'ze tanàna idiranareo, ka matory nareo, hoano ze amegny akeo agnolônareo, 9ary sitragno ny marary ze akao. Lazao zareo hoe: 'Efa magnakeky an'nareo ny fanjakan'Andriamanitra.'10N'ovina n'ovina nareo no miditra tanàna ka tsy mapatory an'nareo zareo, de mivoaha akao, ary lazao hoe: 11"Fa na de ny vovoky ny tanànanareo ze miraikitra amin'ny tongotray aza de ho fafanay hanoitra an'nareo! Fantaro anefa zao: Efa magnakeky ny fanjakan'Andriamanitra. 12Lazaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana de ho azo leferina kokoa ny an'i Sodoma nony an'zany tanàna zany.13Loza ho an'nao, ry Korazina! Loza ho an'nao, ry Betsaida! Fa raha ny asa leibe ze natao tao aminao no natao taigny Tyro sy Sidona, de efa ela zareo no nibebaka, nipetraka tamin'ny lamba fisaonana sy lavenona. 14Fa ho azo leferina kokoa ny an'i Tyro sy Sidona amin'ny fitsarana nony aminareo. 15Enao, ry Kapernaomy, mieritreritra ma enao fa ho hasandratra aigny an-dagnitra? Tsia, ho entina midigna aigny amin'ny Hadesy enao.16Ze mitaino an'nareo de mitaino Anà, ary ze mandà an'nareo de mandà Anà, ary ze mandà Anà de mandà le naniraka Anà."17Niverigna am-pifalena reo fito-polo, ka nilaza hoe: 'Tompo, na de ny demonia aza de nagneky an'nay tamin'ny agnaranao." 18Jesosy nitare tam'jareo hoe: Nijery an'i Satana nilatsaka avy aigny an-dagnitra ôtran'ny tselatra Za." 19Zahao, fa efa nameko an'nareo ny fahefana hagnitsaka ny menarana, ny maigoka, ary ambonin'ny hery daôlin'ny fahavalo, ary na ino na ino de tsy hisy handratra an'nareo amin'ny fomba maro. 20Na de zany aza de aza mifaly fotsiny am'zany, ho nagneky an'nareo ny fagna, fa mifale hoe vôsoratra aigny an-dagnitra ny agnaranareo."21Tamin'io fotôna io ihany de nifaly tokô tao amin'ny Fanahy Masina izy, ary nitare hoe: "Midera Anao Za, ry Ray, Tompon'ny lagnitra sy ny tany, fa efa nasitrika tamin'ny hendry sy ny manan-tsaigna regny ra regny, fa nambara tam'reo tsy manam-palalana, salan'ny zaza madinika. Eny Raiko, fa zany no ankasitrana tsara akeo amasonao."22Ny ra-daôly de nankignin'ny Ray taminà, ary tsisy malala hoe iza ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsisy malala hoe iza ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy ze nosafidian'ny Zanaka atoro an'Azy."23Avy teo de nitodika teo am'reo mpianatra Izy ka nilaza mangingina hoe: "Sambatra ze mahita reo ra ze hitanareo. 24Lazaiko aminareo, mpaminagny sy mpanjaka maro no nagniry ahita ze ra hitanareo, fa tsy hitan'jareo, ary areigny reo ra reignareo, fa tsy reign'jareo zany."25Io misy mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy raika nitsangana mba hitsapa an'Azy, ka nilaza hoe: 'Mpampianatra ô! ino no tsy maintsy hataoko mba handova ny fiaignana mandrakizay? 26Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Ino no vôsoratra akao amin'ny lalàna? Manakôry ny famakinao an'zany? 27Nagnome valiteny izy de nitare hoe: "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao daôly, amin'ny fagnanao daôly, amin'ny herinao daôly, ary amin'ny fisainanao magnontolo, ary ny namanao salan'ny tegnanao.' 28Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Marina ny navalinao. Ataovy zany, de ho velona enao."29Fa le mpampianatra, nagniry hagnamarina ny tegnany, de nitare tamin'i Jesosy hoe: 'Iza no namako? 30Namaly an'azy Jesosy ka nitare hoe: Nisy leila raika nidigna avy aigny Jerosalema ho aigny Jeriko. Izy de azon'reo mpandroba, ze nagnendaka reo fanagnana daôly taigny amin'azy, sy nikapoka an'azy, ary namely an'azy efa ho foaty.31Ary nisy mpisorogna nandalo tam'zany lalana zany, ary nony natazagna an'azy izy, de nandeha taigny am-pita. 32Ôtran'zany kô ny Levita raika, rafa nandalo tamin'le tôrana ka natazagna an'azy, de nandeha taigny am-pita.33Fa nisy Samaritana raika, refa nande tamin'ny nombany izy, de tonga teo amin'ny nisy an'azy. Rafa natazagna an'azy izy, de nitsetra an'azy. 34De nagnatogna an'azy izy ka namatotra ny ratrany, ary nandraraka menaka sy divay tam'zany. Nampitikinany ny bibiny izy, ka nentiny taigny amin'ny tragnom-bahiny, ary nokarakarainy. 35Ny amaraigna de naka denaria rôy izy, ary nagnolotra an'zany tamin'ny mpampentragno, ary nagnano hoe: "Karakarao izy, ary na ôtrino na ôtrino laninao, ra mierigna za de efaiko."36Iza amin'izy telo reo, araka ny eritreritrao, no naman'le azon'ny mpandroba?" 37Namaly le mpampianatra hoe: "Le raika ze nagnano fentrana an'azy." Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Mandana ary magnanôva salan'zany kô."38Ary raha niara-nande zareo, de niditra tao amin'ny tanàna raika Izy, ary nisy vevavy raika antsovina hoe Marta nampandroso an'Azy tao an-tragnony. 39Nanagna ravavy atao hoe Maria izy, ze nipetraka teo an-tongotry ny Tompo ary nareigny ny teniny.40Fa Marta sahirana be tamin'ny fikarakarana ny ahanina aroso. Nankeo am'i Jesosy izy, de nagnano hoe: "Tompo, tsy mampagnino an'Nao ma ny namelan'ny ravaviko anà hanompo rerika? Mba taravo izy mba hanampy anà." 41Fa namaly ny Tompo ka nagnano tamin'azy hoe: "Marta, Marta, magnahy am'ra maro be enao, 42kanefa ra raika ihany no tegna ilaina. Maria de efa nifidy ze tsara indrindra, ze tsy ho alana amin'azy."
Chapter 11

1De zao no nitranga rafa nivavaka tao amin'ny tôrana raika Jesosy, nisy raika tam'reo mpianany nitare tamin'Azy hoe: "Tompo, mba hampenaro mivavaka zahay salan'ny nampenaran'i Jaona reo mpianany."2Ozy Jesosy tam'jareo hoe: "Rafa mivavaka nareo de tineno hoe: "Ray ô! ho hamasinina anie ny agnaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.3Ameo an'nay ny haninay isan'andro. 4Avelao ny fahotanay, salan'ny namelanay ze meloka tamin'any. Aza mitondra an'nay ho aigny amin'ny fakam-pagna."5Jesosy nitare tam'jareo hoe: "Iza aminareo no hanagna namana, ary hande ho aigny amin'azy amin'ny sasak'alina, ary hagnano amin'azy hoe: "Ry namana, mba ampidramo mofo telo za, 6fa misy namako raika vô tonga avy aigny alavitra, ary tsy managna na ino na ino hamena an'azy za." 7Ary mety hamaly an'azy ny raika tao an-dragno ka hagnano hoe: "Aza magnelingelina anà." Efa midy ny varavarana, ary ny zanako, efa akeo ampadrena, miaraka aminà. Tsy afaka mitsangana za hagnome mofo an'nao." 8Milaza aminareo Za, fa na de tsy mitsangana sy magnome mofo an'nareo aza izy satria namany anareo, de non'ny fikirizanareo tsisy henatra, de hitsangana izy ary hagnome an'nareo ny mofo daôly ze ilainareo.9Mbola milaza aminareo kô za, mangatà de homena an'nareo zany; mitadiava de hahita nareo; dondomy, de ho vohana nareo. 10Fa ny ôla daôly ze mangataka de mahazo, ary ze mitady de mahita; ary ze ôla mandodona, de ho vohana.11Iza aminareo raim-pianakavina reo no raha mangataka lapia ny zanakareo, de hagnome an'azy bibilava fa tsy lapia? (Fagnamarihana: Ireo fandikana tsara indrindra misy vaki-teny foika kokoa, ze arantsika eto. Ny fandikana talô sasagny de misy vakin-teny lavalava kokoa, ze hita akao amin'ny Matio 7: 9 ihany kô: "Raim-pianakaviana izy aminareo, raha mangataka mofo ny zanakareo, no hagnome an'azy vato? Na lapia, de hagnome an'azy bibilava?") 12Na raha mangataka atody izy, de homenareo maingoka ma izy? 13No zany, raha nareo ratsy fagna aza mahay magnome fagnomezana tsara ho an'ny zanakareo, de ôtran'ny magnakôry ny haleben'ny Fanahy Masina homen'ny rainareo ze aigny an-dagnitra ho an'reo ze mangataka amin'azy?"14Ary Jesosy nandrôka demonia môgna. Rafa nivôka le demonia, de lasa nahay nitare le leila ze môgna, ary de gaga ny vahôka. 15Fa ny ôla sasagny nilaza fa: "Amin'ny alalan'i Belzeboba, ze mpitarika ny demonia, no androasany demonia.'16Ny sasagny nitsapa an'Azy ary nitsikaraka famantarana avy aigny an-dagnitra tamin'azy. 17Nefa fantatr'i jesosy ze tao an-tsain'jareo ka nitare tamin'jareo Izy hoe: "Reo fanjakana daôly ze mizarazara de ho rava, ary ny tragno ze mizarazara de hirodana."18Ka raha miady an-dragno ary Satana, ahôna no hampaharitra ny fanjakany? Fa ozy nareo hoe mandrôka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba Za. 19Fa raha mandrôka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba ary Za, amin'ny alalan'iza kosany no androasan'ny mpanara-de an'nareo an'azy? No zany, de izy reo no hitsara an'nareo. 20Fa raha mandrôka ny demonia amin'ny alalan'ny ratsan-tagnanan'Andriamanitra Za, de tonga aminareo ny fanjakan'Andriamanitra.21Rafa ampy fitaovana tsara ny leila mahery raika miandry ny tragnony, de vôaro ny hareny, 22nefa kosa raha mahery no izy ny leila raika ka mandresy an'azy, de alain'le leila mahery kokoa amin'le leila ny fiadiana, ary ho robainy ny fagnanan'le leila. 23Ze tsy miaraka aminà de manohitra Anà, ary ze tsy miangona miaraka aminà de misaraka.24Rafa miala amin'ny ôla raika ny fagna ratsy, de lasa izy mamakivaky toerana tsy misy rano ary mitady fitsaharana. Ary rafa tsy mahita, de ozy izy hoe: "Ande hiverigna aigny amin'ny tragno neviko za." 25Rafa tafaverina, izy de mahita an'zany tragno zany vôdio sy vôlamina. 26Avy akeo de lasa izy ary maka fagna hafa ratsy mihôtra ny tegnany miisa fito miaraka amin'azy izy ary de miditra mba hitoetra akao izy daôly. Ka ratsy kokoa noho le vôlôny ny fefaran'zany ôla zany."27Ary raha nitare reo ra reo Izy, de nisy vevavy raika nanandratra ny feony tao agnaty vahôka ary nagnano tamin'azy hoe: "Sambatra ny kibo ze niteraka an'Nao sy ny nono ze ninonoanao." 28Fa ozy kosany Izy hoe: "Sambatra, kokoa aza reo ze mitaino ny tenin'Andriamanitra sy mitagna an'zany."29Ary raha mbola mitombo ny vahôka, de nanomboka nitare Jesosy hoe: "Ty taranaka ty de taranaka ratsy. Mitady famantarana izy, nefa tsisy famantarana abôgna an'azy afa-tsy ny famantaran'i Jona. 30Fa ôtran'ny natonga an'i Jona ho famantarana tam'reo Ninivita, salan'zany kô de ho famantarana ny Zank'Ola amin'ty taranaka ty.31Ny Mpanjaka vavin'ny Atsimo de hitsangana amin'ny fitsarana miaraka am'reo leila am'ty taranaka ty fa hanameloka an'azy reo, fa tonga avy aigny amin'ny faran'ny tany izy mba hiaino ny fahendren'i Solomona, ary eto ny ôla leibe nony Solomona.32Ny leilan'i Ninive de hiara hitsangana am'ty taranaka ty amin'ny fitsarana ary hanameloka an'azy, satria nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona an'jareo, ary io misy ôla leibe nony Jona aketo.33Tsisy ôla raika, raha avy nandretra jiro, de mametraka an'zany amin'ny tôrana takona na akao ambanin'ny harona, fa atao eo amin'ny fitôran-jiro, mba ho tazan'ze miditra ny hazavana. 34Ny masonao no jiron'ny vatana. Rafa tsara ny masonao, de rakotra hazavana ny tegna daôly. Fa raha ratsy kosa ny masonao, de feno haizina ny tegnanao. 35No zany, mitandrema nareo mba tsy ho maizina ny hazavana akao aminareo. 36Ary raha feno hazavana ary ny tegnanao daôly, ka tsisy ampahan'zany akao agnaty haizina, de ho salan'ny jiro ze mampamiratra ny hazavany akeo aminao ny tegnanao magnontolo.37Rafa vita ny resany, de nisy Fariseo nagnasa an'azy hiara-hinana amin'azy aigny an-dragnony, de niditra Jesosy ka nipetraka. 38Gaga le fariseo fa tsy nisasa Jesosy alôn'ny hinanana.39Fa ozy ny Tompo tamin'azy hoe: "Am'zao, nareo Fariseo, de manadio ny ambelan'ny tasy sy ny vilia, nefa ny akao agnatinareo de feno faratsena." 40Anareo ry kely saigna! Tsy nagnano an'ze akao agnatiny fôgna kô ma ze nagnano ny ambelany? 41Amena ny mahantra ze akao agnatany, de ho madio ho an'nareo avokoa ny ra daôly.42Fa loza ho an'nareo ry Fariseo, satria mandô ny ampafolon'ny solika sy ny rota ary ny kakazo hafa eigny an-tsaha anareo, nefa tsy norarahinareo ny famarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra. Ilaina ny magnano ny marina sy mite an'Andriamanitra, no sady tsy manadino ny magnano reo ra hafa fôgna kô.43Loza ho an'nareo ry Fariseo, fa tenareo ny tôrana vôlôny eigny amin'ny synagoga sy ny ferabana feno fanajana an'nareo eigny an-tsena. 44Loza ho an'nareo, fa nareo de ôtran'ny fasagna tsisy famantarana ze hitsahin'ny ôla fa tsy fantany zany.45Ny raika tam'reo mpampianatra lalàna nitare tamin'azy hoe: "Mpampianatra ô! zany lazainao zany de maniratsira an'nay kô." 46Jesosy nitare hoe: "Loza ho an'nareo, ry mpampiana-dalàna! Fa mampitondra enta-mavesatra tsy zakan'ny ôla nareo, nefa tsy mikasika an'zany enta-mavesatra zany na de ny ratsan-tagnanareo raika aza.47Loza ho an'nareo, satria magnorina fasagna ho an'reo mpaminagny anareo, nefa ny razambenaroe no namono an'azy reo. 48Ka vavolombelona ary magneiky ny asan'ny razanareo nareo, fa namono an'azy reo tokoa izy reo ary nareo no manorina ny fasagny.49No zany fôgna kô, no nanambaran'ny fahedren'Andriamanitra hoe: "Handefa mpaminagny sy apostoly am'jareo Za, ary zareo hamono sy hanejika ny sasagny am'jareo." 50Ty taranaka ty, zany no tompon'andraikitra amin'ny ràn'reo mpaminagny daôly nilatsaka hatramin'ny naharian'zao tontolo zao, 51nanomboka teo amin'ny ràn'i Abela ka hatramin'ny ràn'i Zakaria, ze novonoina teo agnelagnelan'ny alitara sy ny fitoerana masina. Eny, lazaiko marina aminareo, fa ty taranaka ty no ho tompon'antoka.52Loza ho an'nareo ry mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy, satria nalainareo ny lakilen'ny fahalalana; tsy miditra akao ny tegnanareo, ary sakananareo reo ze miditra."53Tafaran'ny nelan'i Jesosy teo, de nanohitra an'Azy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary niady hevitra tamin'azy makasika ny ra maro, 54sady niezaka ny hamadrika an'Azy tamin'ny teniny fôgna.
Chapter 12

1Tam'zany, rafa niara-niangona ny vahôka agn'arivony maro, betsaka lôtra haigny ka nifagnitsa-kitro zareo, vôlôny ndrindra de nanomboka nitare tam'reo mpianany Izy hoe: "Tandremo ny masirasiran'reo Fariseo, ze fetsarambelatsy.2Fa tsisy takona ze tsy habôgna, ary tsisy misitrika ze tsy ho fantatra. 3Ka na ino na ino no lazainareo takao amin'ny haizigna de ho regny akao amin'ny fazavana, ary ze nolazainareo takeo an-tsofigna takao agnaty efitragno de hambara aigny an-tapon-tragno.4Milaza aminareo Za ry namako, aza matatra reo ze mamony ny tegna, ary afaran'zany de tsisy na ino na ino azony atao tsony. 5Fa hampitandrina an'nareo Za ny am'ze hataôrana. Matahôra le Raika ze, rafa avy mamono, de managna faefana ny hagnary an'nareo aigny amin'ny helo. Yôny, mitare za, matahôra an'Azy.6Tsy amidy farantsa kely roey ma ny adibo dimy? Kanefa tsisy raika am'regny ze tsy tsarôvana akeo amason'Andriamanitra. 7Fa na ny volon-dônareo aza de vôisa avokoa. Aza matatra. Fa managn-danja mihôtra nohon'ny adibo betsaka anareo.8Ozy Za aminareo, ze daôly maneky Anà akeo agnatrehan'ôla, ny Zanak'ôla iany kô de haneky an'azy akeo agnatrehan'reo anjelin'Andriamanitra, 9fa ze mandà Anà akeo agnatrehan'ny ôla de ho lavina akeo agnatrehan'reo anjelin'Andriamanitra. 10Ze daôly mikoragna magnohitra ny Zanak'Ôla, de ho avela amin'azy zany, fa ze daôly mikoragna ratsy magnohitra ny Fanahy Masina kosa, de tsy ho vôvela zany.11Rafa mitondra an'nareo akeo agnatren'ny synagoga, reo mpanapaka, sy reo manam-paefana zareo, de aza magnà ny am'ze ho fomba fiteninareo ho ferovan-tegnanareo, na ze ho lazainareo, 12satria ny Fanahy Masina no hampianatra an'nareo ze tokony ho lazainareo am'zany ora zany."13Avekeo nisy ôla raika avy tao am'reo vahôka nitare tamin'Azy hoe: "Ry mpampianatra, teneno ny ralahiko mbô hizara lova aminà."14 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Ralelà, iza no nagnano Anà ho mpitsara na mpanelanelana an'nareo?" 15Ozy tamin-jareo hoe: "Miambena mbô hiazonanareo ny tegnanareo lavitra reo fanirian-dratsy daôly, satria ny fiaignan'ôla raika de tsy miankina amin'ny fitobaky ny fanagnany."16Avekeo Jesosy nagnano fagnoharana raika tamin-jareo, nagnano hoe: "Namokatra betsaka ny sahan'ny leila mpanakarena raika,17 ary nagnontany tegna izy, nitare hoe: "Ino no ho ataoko, fa tsy managna toerana hitarizana reo vokatro za?" 18Ozy hoe: "Zao no ho ataoko. Hazerako reo tragno fitôram-bokatro de hanangana gedabe kokoa za, ary akao am'reo no hanangonako ny voako sy reo vokatra hafa. 19De hitare amin'ny fagnahiko za hoe: "Ry fagnahy, anao de managna vokatra betsaka vôtahiry ho amin'ny taona maro. Mitsahara tsara, mihinàna, misotroa, mifalia.""20Fa Andriamanitra nitare tamin'azy hoe: "Gaogna adala, gniany alina ny fagnahinao no halaina aminao, ka reo ra ze nomaninao, ho an'iza ma reo?" 21Zany ny ôla ze manangona harena ho an'ny tegnany ary tsy manan-karena magnolôna an'Andriamanitra."22Jesosy nitare tam'reo mpianany hoe: "Noho zany de taraviko aminareo, aza magnahy ny amin'ny aignanareo - ze ho haninareo, na ny momban'ny tegnanareo - ze ho tafinareo. 23Fa ny aigna de mihôtra noho ny sakafo, ary ny tegna de mihôtra noho reo fitafena.24Hevero ny goaika, tsy mamafy regny na mijinja. Tsy managna fitôram-bokatra regny na tragno fiterizana, kanefa amen'Andrimanitra hanina regny. Salan'ny inona ny fihoaranareo lanja mihôtra noho reo voron! 25Iza aminareo no afaka magnampy haio raika ny andro iaignany amin'ny fanahiana? 26Ka raha zany ra kely ndrindra zany aza tsy hainareo atao, magnino anareo no mignahy ny amin'ny sisa?27Hevero reo lilia - manakôry ny faniriny. Tsy miasa izy regny, na mamoly. Kanefa taraviko aminareo, na Solomona tamin'ny voninahiny manontolo aza tsy nitafy salan'ny raika tam'reny. 28Raha tafian'Andriamanitra salan'zany reo ahitra aigny an-tsaha, ze akeo gniany, ary ny amaraigna de arena agnaty fatagna, ôtran'ny ino ny hampitafiany an'nareo mihôtra lavitra noho zany, anareo ry kely finoana ô!29Aza mikaraka ze ho haninareo sy ze ho sotroinareo, ary aza magnahiahy. 30Fa reo firenena daôly aketo am'zao tontolo zao reo de mitady regny ra regny, ary fantatry ny Rainareo fa mila an'regny anareo.31Fa katsaho ny fanjakany, de hamena ho fanampiny ho an'nareo regny ra regny. 32Aza matatra,ry andian'ondry vitsy, satria ny Rainareo de tegna faly hagnome an'nareo ny fanjakana.33Amidio reo fanagnanareo ary ameo ny mahantra. Magnanôva fitôram-bola ho an'ny tegnanareo ze tsy mety ho tonta - harena aigny an-dagnitra ze tsy mety lany, ze tsisy mpangalatra manakeky, ary tsisy kalalao mandratra. 34Fa aigny am'ze hitôran'ny harenareo, de ho aigny fôgna kô ny fonareo.35Ôka ny akanjo lavanareo ho hasikinareo ny andilanareo, ary ôka ny jironareo hiretra hatraigny, 36ary magnanôva salan''reo ôla ze miambina reo tompony hiverigna avy akaigny amin'ny lanonam-pampakaram-bady, mbô rafa tonga izy ka mandondogna, de ho afaka hagnokatra ny varavaragna ho an'azy avy hatraigny zareo.37Sambatra reo mpanompo, ze hitan'ny tompony fa niambina rafa tonga izy. Taraviko marigna aminareo, fa hisikina ny lamba lavany amin'ny andilagny izy, ary hampipetraka an-jareo akeo an-databatra, ka ho avy izy ary hanompo an-jareo. 38Raha ho avy amin'ny ora faharoa amin'ny alina ny tompo, na aminny ora fatelo aza, ka matazagna an-jareo vonona, de ho ambatra reo mpanompo reo.39Ho fanampin'zany de fantaro zao, fa raha fantatry ny tompon-tragno ny ora hatongavan'ny mpangalatra, de tsy namela ny tragnony ho vakina izy. 40Miomagna iany kô, fa tsy fantatrareo ny ora hiaven'ny Zanak'Ôla."41Petera nitare hoe: "Tompo ô, aminay iany ma no itinennao an'zany fagnoharana zany, se amin'ôla daôly iany kô? 42Ny Tompo nitare hoe: "Iza ary no mpitantana mahatoky sy hendry ze ho tendren'ny tompony ho ambonin'reo mpanompony hafa mbô hagnome an-jareo ny anjara hanin-jareo amin'ny fotôna mety? 43Sambatra zany mpanompo zany, ze hitan'ny tompony magnano zany rafa tonga izy. 44Taraviko marigna aminareo fa ho tendreny hagnapaka ny fanagnany daôly izy.45Fa raha mieritreritra akao am-pony zany mpanompo zany hoe: "Nahemotry ny tompoko ny fiviregnany," ka magnomboka mamono an'reo mpanompo lahy sy vavy, ary mihinana sy misotro, ka lasa mamo,46 ny tompon'zany mpanompo zany de ho avy amin'ny andro tsy ampozigny, ary amin'ny ora tsy fantany, ary hagnapatapaka an'azy ka hanomana toerana ho an'azy miaraka am'reo tsy mahatoky.47Zany mpanompo zany, nafantatra ny sitrapon'ny tompony, kanefa tsy niomana na nagnano araka ny sitrapony, de ho karavasena amin'ny karavasy maro. 48Fa ze tsy nafantatra ary nagnano ze mendrika ahazoana kapoka kosa, de ho karavaseny amin'ny karavasy kely. Fa reo daôly ze namena betsaka, de ho betsaka tokoa no ho takiana amin'azy, ary reo ze nanankinana betsaka, de ho betsaka lavitra aza no hangatàna amin'azy.49Tonga Za hagnipy afo aigny ambonin'ny tany, ary ôtran'ny ino ny nagniriko mbô hirehetan'zany sahady. 50Fa managna fagnanôvam-batisa mbô hagnanôvana batisa Za, ary ôtran'ny ino ny fahoriako mandram-patanterak'zany!51Mihevitra ma anareo fa tonga Za mbô hitondra fiadanana aketo an-tany? Tsia, milaza aminareo Za, fa fisarahana aza. 52Magnomboka zao de hisy dimy akao amin'ny tragno raika ze hisaratsaraka - ôla telo magnohitra ny roey, ary ôla roey magnohitra ny telo. 53Hisaratsaraka zareo, ary ny ray hagnohitra ny zanaka lahy, ary ny zanaka lahy hagnohitra ny ray; ny reny hagnohitra ny zanaka vavy ary ny zanaka vavy hagnohitra ny reny; ny rafozam-bavy hagnohitra ny vinanto vavy, ary ny vinanto vavy hagnohitra ny rafozam-bavy."54Nikoragna tam'reo vahôka kô Jesosy hoe: "Rafa matazagna rôndro miforona aigny andrefana anareo, de ozy avy hatraigny anareo hoe: "Hisy ranon'orana ho avy," ary de mitranga zany. 55Rafa misy rivotra mitsoka avy aigny atsimo, de ozy anareo hoe: "Hisy hafanana be ho avy," avy mitranga zany. 56Ry mpiatsaravelatsihy, hainareo ny mandika ny toetoetry ny tany sy ny lanitra, fa magnino ma no tsy ahaizanareo mamantatra zao andro am'zao fotôna zao?57Magnino ma anareo no tsy mitsara ze marina ho an'ny tegnanareo? 58Fa rafa mande miaraka amin'ny mpifagnandrina amiinareo akeo agnatrehan'ny mpitsara ambony anareo, aigny an-dàlana de miezaha handamina ny ôla miaraka amin'azy mbô tsy handehanany handrirotra an'nareo akeo amin'ny mpitsara, ary mbô tsy hagnoloran'ny mpitsara an'nareo aigny amin'ny mpamatotra, ary mbô tsy handefasan'ny mpamatotra an'nareo aigny am-ponja. 59Ozy Za aminareo, tsy ho tafavôka akao mitsy anareo mandra-pandônareo ny vola faran'ze kely ndrindraka."
Chapter 13

1Tam'zany andro zany, nisy ôla sasagny takeo nilaza tamin'Azy ny momba an'reo Galiliana ze ny ràn-jareo no nafangaron'i Pilato tamin'ny sorony manokana. 2Namaly Jesosy ary nitare tamin-jareo hoe: "Anareo ma mieritreritra fa reo Galiliana reo de mpagnota mihôtra noho reo Galiliana hafa daôly satria nijaly salan'zany? 3Tsia, Za mikoragna an'nareo. Fa raha tsy mibebaka anareo, anareo daôly de ho foaty salan'zany.4Na regny ôla valo ambefolo takao Siloama ze nenjeran'ny tilikambo ka nafaty an-jareo, meritreritra ma anareo fa tegna mpagnota ratsy mihôtra noho reo leila hafa tao Jerosalema regny? 5Tsia, ozy Za. Fa anareo raha tsy mibebaka, anareo daôly iany kô de ho foaty."6Jesosy nagnano an'zao fagnoharana zao hoe: "Nisy ôla nanagna kakazon'aviavy raika nambolena takeo amin'ny tanim-bôlobony ary tonga izy ary nijery vônkazo takeo amin'azy nefa tsy natazagna na ino na ino. 7Le leila de nitare tamin'ny mpagnano zaridaina hoe: 'Indro, tonga taketo za nandritra ny telo taona ary niezaka nikaraka voa tam'ty kakazo aviavy ty kanefa tsy natazagna mitsy.Kapao io. Magnino io no avela magnimba ny tany?'8Namaly le mpagnano zaridaina ka nitare hoe: 'Avelao ho akeo io alô am'ty taona ty mandra-pangadiko magnodidina an'azy sy hagnaseko zezika akeo amin'azy. 9Raha mamô izy amin'ny taona magnaraka, de tsara; fa raha tsy zany, de kapao izy!'"10Ary Jesosy nampianatra takao amin'ny raika tamin'ny Synagoga nandritry ny Sabata.11 Indro nisy vevavt raika ze nanagna ny fanahy ratsin'ny falemena nandritry ny valo ambefolo taona takeo, ary izy de nivokoka ary tsy navita nitsangana tsara.12Nony natazagna an'azy Jesosy, de nagnantso an'azy ka nitare hoe: "Ry vevavy, afaka amin'ny falemenao anao." 13Napetrany takeo amin'azy ny tagnany, ary niaraka tam'zay de nitraka le vevavy ary nihoby an'Andriamanitra. 14Saingy ny mpanapaky ny Synagoga de sosy noho ny fagnasitranana nataon'i Jesosy tamin'ny Sabata. Noho zany de namaly le mpanapaka ary nitare tamin'ny vahôka hoe: "Misy enin'andro ze tokony iasana. Tongava ka sitràna, fa kosa tsy amin'ny andro Sabata."15Ny Tompo namaly an'azy ka nitare hoe: "Ry mpiatsaravelatsihy! Tsy samy mamà ny boriky na ny ombiny akao amin'ny valany ma anareo ka mitondra an'zany hisotro ranoamin'ny Sabata? 16Ary ôtran'zany kô ty zanakavavin'i Abrahama, ze vôfatotr'i Satana nandritry ny valo ambefolo taona ty, tsy tokony mbô ho vahàna ma ny fatorany amin'ny andro Sabata?"17Ary raha nilaza an'zany ra daôly zany Izy, de megnatra reo daôly ze nagnohitra an'Azy, fa ny vahôka raika manontolo de faly noho reo ra daôly malaza nataony.18Ary Jesosy nitare hoe: "Ôtran'ny akôry ny fanjakan'Andriamanitra, ary ôtran'ny ino no afaka agnoharako an'zany?" 19Zany de ôtran'ny vôtsinampy ze nalaina sy nafafin'ny leila raika takeo an-jaridainany, ka lasa kakazo gedabe zany, ary ny voron'ny lagnitra de nagnambôtra ny tragnony takeo am'reo rantsagny."20Mbôla nitare fôgna Izy hoe: "Ino no afaka hampitoviziko ny fanjakan'Andriamanitra?21 Zany de ôtran'ny masirasira ze nalain'ny vevavy raika ka nafangarony tamin'ny koba in-telon'ny famarana mandra-piparitany akao agnatin'ny koba daôly."22Jesosy de nande nitety ny tanàna sy ny vohitra tsiraikaraika taigny an-dàlana mankaigny Jerosalema ary nampianatra an-jareo. 23Nisy anakiray nitare tamin'azy hoe: "Tompo, vitsy ma ny ôla ho vonjena?" Ary ozy tamin-jareo hoe: 24"Mediva ny hiditra ny varavaragna tery anareo, satria, Za mitare aminareo, betsaka no te-hitsofoka, fa tsy ho afaka ny hiditra.25Rafa igny le mitsangana le tompo-tragno ary magnidy varavaragna, de mitsangana akao avelany akeo anareo ka handondona ny varavaragna ary hitare hoe: 'Tompo, Tompo, ampidiro zahay.' Izy hamaly ka hitare aminareo hoe: 'Tsy fantatro anareo na ny fiavenareo.' 26Ary hitare anareo hoe: 'Nihinana sy nisotro takeo agnolônao zahay, ary Anao efa nampianatra taigny an-dalambenay.' 27Fa Izy de hamalyy hoe: 'Milaza aminareo Za, tsy fantatro ze fiavenareo. Mialà aketo aminà, anareo mpagnano ratsy!"28Hisy fitomanena sy fikotroha-nify rafa indro anareo mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, sy ny mpaminagny daôly akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra, saingy vôrôka aigny avelany anareo. 29Zareo de ho avy aigny antsinagnana, andrefana, avaratra, ary atsimo ka hipetraka akeo amin'ny latabatry ny fanjakan'Andriamanitra. 30Fantatro zao, reo ze tsy de managn-danja no ho vôlôny, ary reo ze tegna managn-danja no ho faragny."31Tafarakelin'zany, nisy Fariseo sasagny tonga ary nilaza tamin'Azy hoe: "Mandiana ilaozy ny aketo satria Heroda de te-hamono An'nao." 32Jesosy nitare hoe: "Mandiana ary lazao an'zany ambôhaolo zany hoe: 'Indro, za mandrôka demonia sy magnano fagnasitranana gniany sy amaraigna, ary amin'ny andro fatelo de ho tratrako ny tanjoko.' 33Na ino na ino mitranga, zava-dehibe Aminà ny manohy gniany, amaraigna, sy ny andro manaraka, satria tsy azo ekena ny famonoana ny mpaminagny lavitra an'i Jeroalema.34"Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ze mamono ny mpaminagny sy mitora-bato reo ze nirahina taigny aminareo. Impiry ma Za no nagniry ny hanangona ny zanakareo salan'ny akoho vavy manangona ny zagnany ambany embagny, kanefa tsy nagniry an'zany anareo. 35Indro, nilôzana ny tragnonareo. Za de mitare aminareo, tsy ho tazagnareo Za ambara-pitinenanareo hoe: "Sambatra ze avy amin'ny agnaran'ny Tompo.'"
Chapter 14

1Ary indray sabata, rafa nankao amin'ny tragnon'ny raika tam'reo mpitarika ny fariseo hihinana mofo Izy de nagnara-maso an'Azy ankeky zareo. 2Indro, takeo agnolôny nisy leila raika ze nampijalen'ny edema. 3Jesosy nagnontany reo manam-pahaizana amin'ny lalànan'ny Jiosy sy reo Fariseo hoe: "Azo atao ma ny magnasitrana amin'ny andro Sabata, se tsia?"4Fa zareo de nangina. Noho zany de noraisin'i Jesosy izy, ary nositragniny, de nalefany hande. 5Ozy tamin-jareo hoe: "Iza aminareo ze manan-janaka lahy na omby tafalatsaka agnaty fangalandrano amin'ny andro Sabata ma no tsy hisontina an'azy avy hatraingny?6 Zareo de tsisy navita nagnome valiny an'reo ra reo.7Rafa tsikaritr'i Jesosy ny fomba fisafidianan'reo ze nisaigna ny tôram-boninatra, nagnano fagnoharana izy, nikoragna tamin-jareo hoe:8 "Rafa asaina amin'ny lanonam-panambadena anareo, aza mipetraka akeo amin'ny tôram-boninatra, satria maty nisy ôla nasaina mbôla manam-boninatra noho anareo. 9Rafa tonga le ôla ze nanasa an'nareo, de hiteny an'nareo izy hoe: 'Ameo an'ty ôlon-kafa ty ny tôranao,' ary am-pamenarana no andehananareo hamonjy ny tôrana ambany ndrindra.10Fa rafa asaina anareo, mandehana de mipitraha amin'ny tôrana ambany ndrindra, am'ze rafa mandalo akeo le nagnasa an'nao, de mety hitare an'nao izy hoe: 'Ry namana, miakara amin'ny ambonimbony.' Ary avekeo de amem-boninatra anao akeo agnatrehan'reo ze daôly miray latabatra aminareo.11 Fa reo ze manandra-tegna de hahetry, ary ze manetri-tegna de hasandratra."12Jesosy iany kô de nitare tam'le leila nagnasa an'Azy hoe: "Rafa magnome sakafo na fagnasàna anao, de aza magnasa an'reo namanao na reo ralànao na reo ankeiky an'nao nareo mpanakarena magnodidina an'nao, amin'ny mety hagnasany an'nao kô ho takalon'zany, ary de ho vôvaly anao.13Fa rafa magnano fagnasana anao, asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ary ny jamba, 14de ho sambatra anao, satria tsy afaka hamaly an'nao zareo. Fa anao de ho vôvaly amin'ny fitsanganan'ny marina."15Rafa naregny reo ra reo ny raika tam'reo niray latabatra tamin'i Jesosy, de nitare tamin'Azy hoe: "Sambatra ze hihinana ny mofo akao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra!" 16Fa Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Nisy leila raika nikarakara sakafo lehibe ary nagnasa ôla betsaka. 17Rafa vôkarakara ny sakafo, de naniraka ny mpanompony izy hitare an'reo ze nasaina hoe: 'Mandrosô, fa ny ra daôly de efa vonona.'18Izy daôly de nitovy saigna ary nanomboka nagnano felan-tsigny. Le vôlôny nitare tamin'azy hoe: 'Nividy saha za, ka tokony hivôka za ary hijery zany. Miala tsiny za.' 19Ny raika hafa nitare hoe: 'Nividy omby folo za, ary ande hamantatra an-jareo. Miala tsiny za.' 20Avekeo nisy leila raika hafa nitare hoe: "Vô avy nampaka-bady za, ary noho zany de tsy afaka ny ho akaigny za."23Ozy ty tômpony tam'le mpanompony hoe: "Mandiana aigny am'reo arabe sy sisim-boly ary tereo zareo ho avy, am'ze ho feno ny tranoko. 24Fa lazaiko aminareo, tsisy hanandrana ny sakafoko reo leila ze nasaina.'"25Ary vahôka betsaka no nande niaraka tamin'azy, ary nitodika Izy ary nitare tamin-jareo hoe: 26"Raha misy aminareo manantona Anà ary tsy mankahala ny rainy, ny reniny, ny vadiny, ny zanany, reo rahalahiny sy reo rahavaviny, ary na ny fiainany aza, de tsy afaka ny ho mpianatro izy.27 N'iza n'iza tsy milanja ny hazofijaliany ary manaraka Anà de tsy afaka ny ho mpianatro.28Fa iza aminareo, ze magniry ny hanangana tilikambo, no tsy mipetraka alô ary mikajy ny fandaniana raha manana ze ilana hamitana an'zany izy?29 Raha tsy zany, rafa nametraka ny fototra izy nefa tsy hahavita zany akory, de hanomboka handatsa an'azy reo daôly ze mahita an'zany,30 magnano hoe: 'Io leila io no nanomboka nanangana kanefa tsy navita akory.'31Na kô mpanjaka ino, raha hande hifanetra amin'ny mpanjaka hafa amin'ny ady, no tsy hipetraka alô ary haka hevitra raha miaraka amin'ny leila ray alina de afaka hiady mpanjaka hafa ze tonga magnohitra an'azy miaraka amin'ny leila roa alina? 32Raha tsy zany, raha mbôla lavitra ny tafika hafa, de mandefa antoko izy ary mangataka fepetra ho amin'ny fihavanana. 33Ka noho zany, n'iza n'iza aminareo tsy mahafoy ze daôly hanagnany de tsy afaka ny ho mpianatro izy.34Tsara ny sira, fa raha very ny tsiron'le sira, manakôry ma no hiverenany hasira ndray?35 Tsisy ilàna an'azy eto an-tany na de ho zezika aza. Arena fotsiny zany. Ze manan-tsofina ho enti-mandregny, ôka izy hitaino."
Chapter 15

1Ary reo mpamory hetra sy ny mpanota sasagny de tonga teo amin'i Jesosy mba hitaino an'Azy. 2Nigonongonogna reo Fariseo sy reo mpanora-dalàna, nitare hoe: "Io leila io de mandray mpanota, ary miara-minana am'jareo mitsy aza."3Jesosy nagnano an'zao fagnoharana zao tam'jareo, ary nitare hoe: 4"Iza aminareo, raha managna ondry zato, ary avy akeo de very ny tokana am'jareo, no tsy handôsa ny sivy am'sivifolo aigny an-tany efitra, ary hande hikaraka le raika very mandra-pahitany an'azy? 5Ary rafa hitany zany, de lanjainy akeo an-tsorogny ary mifaly izy.6Rafa tonga akao an-tragno izy, de antsoviny daôly ny namany sy reo mpiara monina am'azy, mitare an'azy hoe: "Mifale miaraka aminà, fa hitako le ondriko very." 7Salan'zany kô, de mitare amainareo Za, fa hisy fifalena aigny an-dagnitra non'ny mpanota raika ze mibebaka, mihôtra no reo olo-marina sivy am'sivy folo ze tsy mibebaka.8Iza no vevavy ze managna farantsa kely folo, raha very ny farantsa raika, no tsy andreitra ny jiro, hamafa ny tragno, ary hikaraka amim-pazotôgna mandra-pahitany an'zany? 9Rafa hitany zany, de antsoviny daôly reo namany sy reo mpiara-monina amin'azy, ka hitare hoe: "Mifale mairaka aminà, fa hitako le farantsa kely raika ze very." 10Salan'zany kô, Za milaza aminareo, misy fifalena akeo agnatrehan'ny Anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota raika ze mibebaka."11Avy akeo Jesosy nitare hoe: "Nisy leilà raika nanan-janaka rôy là, 12ary ny faralà tam'jareo nitare tamin'ny rainy hoe: "Ray ô! omeo anà ny anjara fanagnako ze tokony ho anà. Ka de nozarain'ny tam'jareo ny fanagnany.13Tsy ela tafaran'zay, de nangorogna ny anjarany daôly le faralà ary nande tamin'ny firenena hafa lavitra takeo, ary taigny izy no nandany reo anjarany daôly tamin'ny fiaignan-dratsy. 14Ary rafa laniny daôly reo, de nisy silaona mafy be tam'io firenena io, ka nanomboka sahirana izy.15Nande izy ka nikarama tamin'ny raika tam'reo mponina tao amin'io firenena io, ze nandefa an'azy taigny amin'ny tanim-boliny mba hiambina kisoa. 16Te hinana mafy reo ahanin'reo kisoa izy, satria tsisy ôla nagnome an'azy na ino na ino.17Fa rafa tonga saigna le faralà, de nitare izy hoe: "Firy am'reo mpanompon'ny raiko no managna ahanina betsaka sy ampy ary ty za, matin-tsilaona. 18Ialako aketo ka ho aigny amin'ny raiko za, ary za hitare am'azy hoe: Ray ô! efa nanota tamin'ny lagnitra za, sy teo amasonao.19 Tsy mendrika antsovina hoe: zanakao intsony za; ataovo salan'ny raika am'reo mpiasanao za."20No zany de nande le faralà ka nankaigny amin'ny rainy. Raha mbola lavitra izy, de hitan'le rainy ary tohina nangoraka, ka niazakazaka, ary namina sy nagnoroka an'azy. 21Le zanany nitare hoe: Ray ô! efa nanota tamin'ny lagnitra sy teo amasonao za. Tsy mendrika antsovina hoe: zanakao intsony."22Le rainy nitare tamin'ny mpanompony hoe: "Alao malaky reo akanjo tsara, ka ampekanjo an'azy, ary aseo peratra ny tagnany, sy kiraro ny tongony. 23Avy akeo alao le zanak'omby matavy ka vonoy zany. Andao tsika hifaly amin'ny fatongavany. 24Satria ty zanako là ty de efa maty, ary de velona ndre. Very izy ary de hita ndre." Avy teo de nanomboka nikoragna zareo.25Ary le lahimatoany de taigny an-tsaha. Nony avy ary nagnatogna an'le tragno izy, de nareigny zava-magneno sy dihy. 26Nagnantso raika tam'reo mpanompo izy ary nagnonatany an'azy hoe: Ino zany raha akao zany. 27Le mpanompo nitare tam'azy hoe: Nody akao an-dragno ny ralanao ka novonoin'ny rainareo le zanak'omby matavy, satria tafaverigna sômantsara izy.'28Sosy le lahimatoa, ary tsy nety niditra, de nivôka ny rainy, ary nengavy an'azy. 29De namaly le lahimatoa ary nitare tamin'ny rainy hoe: Zahao efa an-taonany maro no nanompoako an'nao, ary mbola tsy nandika ny fifihezanao za, ary enao tsy mbola nagnome na de zanak'osy nafako nikoragna niaraka tam'reo namako, 30kanefa rafa tonga ny zanakao là, ze nandany ny fanagnanao tamin'ny mpivaro-tegna, de novononao ho an'azy le zanak'omby nifahy."31Ozy le rainy tamin'azy hoe: "Anaka, anao de miaraka aminà fôgna, ary ze anà daôly de an'nao. 32Kanefa mety amintsika ny mikoragna sy mifaly, satria ty zandrinao ty de efa maty ary am'zao fotôna zao de velona ndre, ary efa very, ary am'zao fotôna zao de hita ndre."
Chapter 16

1De ozy ko Jesosy tam'reo mpianany hoe: Nisy leila mpanan-karena raika nanagna mpitantana, ary notanterina taigny amin'azy fa io mpitantana io no nandany ny fanagnany daôly. 2Ka nampagnantso an'azy le leila mpanan-karena ary nitare tam'azy hoe: "Ino zany reigniko momba an'nao zany? Magnomeza tatitra momban'ny asa fitantanana, fa enao tsy ho afaka ho mpitandri-panagnana tsony.'3Ary le mpitandrim-panagnana nitare taigny an-tsaigny hoe: "Ino ary no tokony ataoko, fa mangala anà amin'ny asa tantanako ny tompoko? Tsy managna tanjaka hiasana tany tsony za, ary menatra ny hangataka za. 4Fantatro ny ataoko, mba rafa alana amin'ny asa fitantanako za, de hampandroso anà akao an-dragnon'jareo ny ôla."5Avy akeo le mpitan-draraha nagnantso ny tsiraikaraika tam'reo mpitrosan'ny tompony, ary de nagnontany le vôlôny izy hoe: 'Ôtrinina ny anagnan'ny tompoko aigny aminao?" 6Nitare izy hoe: "Menaka oliva zato litatra." Niteny tamin'azy izy hoe: "Raiso ny taratasina, mipetra malaky, ary dimampolo soratana." 7Ary avy akeo le mpitantana niteny tamin'ny raika hoe: "Ôtrinina ny trosanao?" Niteny izy hoe: 'Vary zato famarana.' Niteny tamin'azy izy hoe: "Raiso ny taratasinao, ary sorato hoe valopolo."8Avy akeo le tompo de nidera le mpitantana tsy marina satria niasa tamin-kafetsena izy. Fa fetsy kokoa ny zanak'izao tontolo zao ny amin'ny fifagnarana amin'izy samy ôla noho ny zanaky ny fazavana. 9Mitare aminareo Za, mikarà namana amin'ny alalan'ny vola tsy marina, am'ze daôly lany zany, de mety ho raisin'jareo akao amin'ny fonegnana mandrakizay anareo.10Ze matoky amin'ny kely indrindra de matoky amin'ny betsaka kô, ary ze tsy marina amin'ny kely indrindra de tsy marina amin'ny betsaka kô. 11Raha tsy matoky amin'ny fampesana vola tsy marina nareo, iza no hatoky an'nareo amin'ny harena marina? 12Raha tsy matoky amin'ny fampesana ny volan'ny ôla hafa nareo, iza no hagnome vola an'nareo manokana?13Tsy misy mpanompo afaka manompo tompo rôy, fa izy hankahala ny raika de ho te ny raika, na kô izy hagnolo-tegna ho an'ny raika de hagnano tsinotsinona le hafa. Tsy afaka manompo an'Andriamanitra sy ny harena anareo."14Ary ny Fariseo, ze te vola, rafa nareigny an'zany ra daôly zany, de nagnano tsinotsinona an'Azy izy reo. 15Nitare tam'jareo Izy hoe: "Enao de magnamarina ny tegnanareo akeo amason'ny ôla, fa Andriamanitra malala ny fonareo. Fa ze hasandratra akeo amin'ny ôla de hankalaina akeo amason'Andriamanitra.16Ny lalàna sy reo mpaminagny de nisy de nisy mandra-piavin'i Jaona. Efa hatramin'zany fotôna zany, no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny tsiraikaraika de niezaka nagnitsy ny lalany ho am'zany. 17Fa moramora koko ny hafôgna ny lagnitra sy ny tany nony soratra kely indrindra akao amin'ny lalàna ho tonga tsy manan-kery.18Ze misaraka amin'ny vadiny ka mapakatra vevavy hafa de mijangajanga, ary ze mampakatra vevavy ze efa nisara-bady de mijangajanga.19Ary nisy mpanan-karena raika ze nenkanjo voloparasy sy rongony magnify ary nankamamy isan'andro ny harem-beny. 20Nisy mpangataka raika antsovina hoe: Lazarosy nipetra teo amin'ny vavahadiny, tototra fery, 21ary nagniry mba hinana ze latsaka avy akeo ambony latabatr'le leila mpanan-karena. Fa na ny alika aza tonga sy nilelaka ny feriny.22Ary io fa maty le mpangataka ka nentin'reo anjely ho akeo agnilan'i Abrahama. Maty ihany kô le mpanan-karena ka nalevina,23 ary tao amin'ny faverezana, raha nampijaliana, de nanandratra ny masony izy ary nahita an'i Abrahama taigny alavitra sy Lazarosy teo agnilany.24Ka nikikikika mafy izy sy nitare hoe: "Abrahama Ray, mamindrà fo aminà ary alefaso Lazarosy, mba handrobohany ny tendron'ny rantsan-tagnany akao agnaty rano ary hampangatseka ny lelako, fa ato agnatin'ny fangirifiriana mafy agnatin'ty afo tsy za."25Fa Abrahama nitare hoe: "Anaka, tadidio fa tamin'ny androm-piaignanao de nahazo ra tsara enao, ary ny an'i Lazarosy kosa ra ratsy. Fa am'zao izy aty de vôtambitamby, ary enao akao amin'ny fangirifiriana. 26Ankôtran'zany rafa zany, de nisy tevana geda be napetraka, mba tsy ho afaka hempita ze te-hempita avy aketo mankeigny aminareo, ary tsisy afaka hempita avy aigny hankaty aminay."27Le leia mpanan-karena nitare hoe: "Mengavy an'nao za, ry Abrahama Ray, mba hagnirahanao an'azy ho aigny an-tragnon-draiko, 28fa managna rahalà dimy za mba afahany mampitandrina an'jareo, nony taotra ny hatongavan'jareo aty am'ty tôran'ny fijalena ty ihany kô."29Fa Abrahama nitare hoe: "Managna an'i Mosesy sy ny mpaminagny zareo; aoka zareo hitaino an'azy reo." 30Ary namaly le leila mpanan-karena hoe: "Tsia, ry Abrahama Ray, fa raha misy avy amin'ny maty mankaigny am-jareo, de hibebaka zareo." 31Fa Abrahama kosany nitare tamin'azy hoe: 'Raha tsy mitaino an'i Mosesy sy reo mpaminagny izy reo, de tsy ho resy latra miitsy na misy ôla mitsangana amin'ny maty aza."
Chapter 17

1Jesosy nitare tam'reo mpianany hoe: "Azo antoka fa hisy ra afaka hanosika an-tsika hagnota, fa lozan'ze ôla hiaven'zany! 2Tsara ho an'zany ôla zany raha asena vatobe akao amin'ny vozogny ka atsipy aigny agnaty ranomasina, non'ny hatafitona ny raika am'reo madinika reo.3Mitandrema anareo. Raha magnota ny ralànareo, tineno mafy izy, ary raha mibebaka izy, mamelà an'azy. 4Raha magnota aminao impito akao agnatin'ny indray andro izy, ka impito miverigna aminao izy, mitare hoe: "Mibebaka za," de tsy maintsy mamela an'azy anao!"5Reo Apostoly nitare tamin'ny Tompo hoe: "Ampitomboy ny finoanay." 6Ny Tompo nitare hoe: "Raha managna finoana salan'ny vôtsinampy anareo, de afaka mitare amin'io vôroihazo io hoe: "Miongota, ary maniria aigny an-dranomasina," de hagneky an'nareo izy.7Fa iza aminareo, no managna mpanompo miasa tany na miambin'ondry, ka hitare amin'azy rafa tonga avy aigny an-tsaha izy hoe: "Ave malaky ka mipitrà mbô hihinana?"8 Fa tsy hitare amin'azy ma izy hoe: "Hikarakarao ra hohaniko za, ka aseo fekibo magnodidigna ny ankajonao de manompoa anà mandrapahalanin'ny ahaniko sy fisotroako. De avekeo anao mihinana sy misotro?"9Tsy misaotra an'le mpanompo izy satria nagnano reo ze nibaikona an'azy izy, se misaotra ma izy? 10Na de anareo kô aza, rafa navita an'reo ra daôly ze nandidena an'nareo anareo, de tokony hitare hoe: "Zahay de mpanompo tsy mendrika. Ze tokony nataonay fôgna no nataonay."11Ary raha nande ho aigny Jerosalema Izy, de nande takeo amin'ny sisin-tany takeo agnelagnelan'i Samaria sy Galilia. 12Rafa niditra takao amin'ny tanàna raika izy, de nisy boka folo lahy nifanena tamin'Azy tao. Nitsangana lavitra an'Azy zareo 13ary nanandratra agnambo ny feon-jareo, nitare hoe: "Jesosy, Tompo ô, mamindrà fo aminay."14Rafa natazagna an-jareo Izy, de nitare tamin-jareo hoe: "Mandiana de atoroy an'reo mpisorogna ny tegnanareo." Raha igny lasa igny zareo de nadio. 15Rafa natazagna ny raika tamin-jareo da sitragna izy, de niverina, niaraka tamin'ny feo avo nankalaza an'Andriamanitra. 16Nenkoka takeo an-tongotr'i Jesosy izy, nagnome fisaorana ho an'Azy. Izy de Samaritana.17Ary Jesosy nitare hoe: "Tsy efa vôdio ma izy folo? Fa aiza ny sivy? 18Tsisy hafa niverigna hagnome voninatra an'Andriamanitra ma, afa-tsy ty vahiny ty?" 19Ary ozy tamin'azy: "Mitsangàna, ka mandiana. Ny finoana no nahasitragna an'nao."20Raha nagnontanen'reo Fariseo hoe ôvena ny fanjakan'Andriamanitra no ho tonga, de namaly an-jareo Jesosy ka nikoragna hoe: "Tsy taza-maso ny fiaven'ny fanjakan'Andriamanitra. 21Tsy hitare kô zareo hoe: "Jerevo, ty le izy!" na hoe: "Iry le izy!" Fa indro, ny fanjakan'Andriamanitra de akao agnatinareo.""22Ozy tam'reo mpianatra: "Avy ny andro hagnirinareo ny hahita ny raika amin'ny andron'ny Zanak'Ôla, fa tsy hahita an'zany anareo. 23Ary zareo de hitare aminareo hoe: "Jerevo, ery! Jerevo, ety!" Fa aza mivôka na magnenjika an-jareo. 24Fa salan'ny tselatra mamiratra mazava rafa mitaratra avy aigny amin'ny ilany ny lagnitra ka hatraigny amin'ny ilany raika, de ôtran'zany ny Zanak'ôla amin'ny androny.25Fa vôlôny de tsy maintsy hijaly am'ra maro Izy ary ho lavin'ty taranaka ty. 26Salan'ze nitranga tamin'ny andron'i Noa, no hibôgna kô amin'ny andron'ny Zanak'Ôla. 27Nihinana zareo, nisotro, nanambady, natolotra ho ampakarina, mandra-peven'ny andro ze nidiran'i Noa takao amin'ny sambofiara - ary tonga ny safo-dragno ka nandringana an'azy daôly.28Salan'ze nitranga tamin'ny andron'i Lota - nihinana sady nisotro zareo, nividy sy nivarotra, namboly sy nagnano tragno. 29Fa tamin'ny andro ze nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, de afo sy solifara no nilatsaka avy taigny an-dagnitra ka nandringana an'azy daôly.30De ôtran'zany kô ny amin'ny andro hibôgnan'ny Zanak'Ôla. 31Am'zany andro zany, aza avela hiditra hiaka reo entany ho aigny avelan'ny tragno ze aigny amin'ny tampon-tragno; ary aza avela hiverigna ze aigny an-tsaha.32Tadidio ny vadin'i Lota.33 N'iza n'iza mikaraka hamonjy ny aignany de hahavery an'azy, fa n'iza n'iza hahavery ny aignany de hamonjy an'azy.34Milaza aminareo Za, fa am'zany alina zany de hisy ôla roey akeo ambonin'ny fandrena raika. Ny raika de horaisina, ary ny raika ho avela. 35Ary hisy roa vavy miara-mitoto vary. Ny raika ho raisina, ary ny raika ho avela." 36[Fagnamarihana: reo fandikan-teny talô tsara ndrindraka de magnala ny andininy faha 36 hoe: "Hisy roa lahy aigny an-tsaha; ny raika ho raisina, ary ny raika ho avela."]37 Nagnontany an'Azy zareo hoe: "Aiza, Tompo?" ary Izy nitare tamin-jareo hoe: "Ze hitôran'ny faty, de aigny kô no hisy vototo hiara-miangona."
Chapter 18

1Avekeo Izy nilaza fagnoharana tamin-jareo ny momba ny tokony hivavahan-jareo mandrakariva, ary tsy ho kivy, 2nitare hoe: "Takao amin'ny tanàna raika de nisy mpitsara ze tsy natatra an'Andriamanitra ary tsy nagnaja ôla.3Ary nisy mpitondra-tegna raika takao amin'io tanàna io, ary izy nankaigny amin'azy matetika, nitare hoe: 'Ampio za mbô ahazoko rariny magnolôna ny favaloko.' 4F'efa hatramin'ny ela izy no tsy vognona ny hagnampy an'azy, fa tafarakelin'zanyde nitare tamin'ny tegnany izy hoe: 'Na de tsy matatra an'Andriamanitra aza za na tsy manaja ôla, 5fa kô satria manahirana anà ty mpitondra-tegna ty, de hagnampy an'azy za mbô ahazoany rariny, mbô tsy handreraka anà nohon'ny fivezivezeny lava aty tsony izy.'"6Avekeo itare ny Tompo hoe: "Rigneso ze ambaran'le mpitsara tsy marina. 7Ary tsy hitondra rariny ho an'ze vôfidiny ze magnantso mafy an'Azy magnalin'andro kô ma Andriamanitra? Hangatak'andro lava amin-jareo ma Izy? 8Lazaiko aminareo fa hitondra rariny malaky amin-jareo izy. Ôtran'zany kô, rafa tonga ny Zanak'Ôla, hahita finoana ety an-tany tokoa ma Izy?"9Avekeo kô Izy nilaza an'zao fagnoharana zao tamin'ny sasagny ze nahatoky ny tegnan-jareo fa hoe marina sy magnevateva an'reo ôla hafa: 10'Nisy rô lahy niakatra takao an-tempoly mbô hivavaka - ny raika de Fariseo ary ny raika hafa de mpamory hetra."11Le Fariseo nitsangana ary nivavaka an'reto ra momban'ny tegnany reto hoe: 'Andriamanitra ô, misaotra An'nao za fa tsy mitovy amin'ôla hafa - mpangalatra, ôla tsy marina, mpijangajanga - na salan'ty mpamory hetra ty aza. 12Mifady ahanina indroa isan-kerinandro za. Magnome ny ampafolon'ze azoko daôly za.'13Fa le mpamory hetra, nitsangana taigny alavitra, tsy nety nanandratra ny masony taigy amin'ny lagnitra akory, fa niteha-tratra, nitare hoe: 'Andriamanitra ô, mamindrà fo aminà, mpagnota.' 14Milaza aminareo Za, io leila io de niverigna nidigna taigny an-tragnony vômarina noho le raika, satria ze daôly magnandra-tegna de hahetry, fa ze daôly manetri-tegna no hasandratra."15Nisy ôla kô de nitondra ny zagnany kely takeo amin'Azy, mbô hikasihany an-jareo, fa rafa natazagna an'zany reo mpianatra, de niteny mafy an-jareo. 16Fa Jesosy nagnantso an-jareo hagnatona an'Azy, nikoragna hoe: "Avelao ny zaza hagnatona Anà, ary aza raràna zareo. Fa an'ny ôtran-jareo ny fanjakan'Andriamanitra. 17Taraviko marina aminareo, n'iza n'iza tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra ôtran'ny zaza de tsy hiditra akao am'zany mitsy."18Ary nisy mpanapaka raika nagnontany an'Azy, nagnano hoe: "Mpampianatra tsara ô, ino no tsy maintsy hataoko mbô handovako ny fiaignana mandrakizay?" 19Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Magnino Za no antsovinao hoe tsara? Tsisy ôla tsara, afa-tsy Andriamanitra rerika iany. 20Fantatrao reo didy - Aza mijangajanga, aza mamono ôla, aza mangalatra, aza mijoro vavolombelona mandainga, magnajà ny rainao sy ny reninao." 21 Nitare le mpanapaka hoe: "Zany daôly zany de efa nankatoaviko hatramin'ny za tanora."22Rafa naregny an'zany Jesosy, de nikoragna hoe: ""Ra raika no tsy ampy aminao. Tsy maintsy mivarotra ze daôly anagnanao anao ary mizara an'zany amin'ny mahantra, ary hanagna harena aigny an-danitra anao - ary ave, magnarà Anà." 23Fa rafa naregny an'reo ra reo le mpanapaka, de nanjary nalahelo lôtra, fa nanan-karena be izy.24Ary Jesosy, nahita an'azy, nanjary nalahelo mafy [Fagnamarihana: Reo manam-pahaizana de misara-kevitra raha tokony ho ampidirina aketo ny teny hoe: [Izy] de nanjary nalahelo mafy. Ampitahao ny And 23] ary nitare hoe: "Manakôry ny fahasarotan'ny fidirana akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ho an'reo ze mpanan-karena! 25Fa moramora kokoa ho an'ny rameva ny hiditra amin'ny vodim-panjaitra, nohon'ny hidiran'ny ôla mpanan-karena raika akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."26Reo ze naregny an'zany de nitare hoe: "Iza ary ma zany no afaka ho vonjena?" 27Jesosy namaly hoe: "Reo ra ze tsy hain'ôlombelona de hain'Andriamanitra."28Petera nitare hoe: "Indro, nandao ny ra daôly zay an'nay zahay ary nagnaraka An'nao."29 Ary Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Taraviko marina aminareo, fa tsisy ôla ze nahafoy tragno, na vady, na ralahy, na ray aman-dreny, na zagnaka, nohon'ny fanjakan'Andriamanitra, 30ze tsy hahazo bebe kokoa am'ty zao tontolo zao ty, ary amin'ny andro ho avy, de fiaignana mandrakizay."31Rafa avy nanangona ny rombefolo lahy takeo amin'Azy Izy, de ozy tamin-jareo hoe: "Indro, miakatra ho aigny Jerosalema tsika, ka reo ra daôly ze vôsoratr'reo mpaminagny momban'ny Zanak'Ôla de ho tanteraka.32 Fa hatolotra akeo am'reo Jentilisa Izy, ka himezana, sy halana baraka, ary ho roràna. 33Afaran'ny hitarôna an'Azy, de ho vonon-jareo Izy ary amin'ny andro fatelo de hitsangana ndre Izy."34Tsy natakatra na ino na ino tam'reo ra reo zareo, ary nafenina tamin-jareo zany teny zany, ary tsy azon-jareo ny ra ze vôlaza.35Ary raha nanakeky an'i Jeriko i Jesosy, de nisy leila jamba raika nipetraka takeo an-tsisin-dalana nangataka, 36ary raha naregny ny vahôka nandalo, de nagnotany ze ra nitranga izy. 37Nilaza tamin-jareo hoe nandalo takeo Jesosy avy aigny Nazareta.38Ka nagnantso mafy le leila jamba, nagnano hoe: "Jesosy, Zanak'i Davida, mamindrà fo aminà." 39Fa reo ze nande nelô de niteny mafy an'le leila jamba, ka nitare tamin'azy mbô hangina. Fa izy vô maika nagnantsognantso mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida, mamindrà fo aminà."40Jesosy nijagnona ary nandidy ny mbô hitondrana an'le leila ho akeo amin'Azy. Ary rafa teo ankeky le leila jamba, de nagnontany an'azy Jesosy hoe: 41"Ino no tenao hataoko ho an'nao?" Nitare izy hoe: "Tompo, te hahiratra za."42Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Mahiràta. Ny finoanao no nahasitrana an'nao." 43Takeo noho eo de nahiratra izy ary nagnaraka an'Azy, nagnome voninahitra an'Andriamanitra. Ny ôla daôly, rafa natazagna an'zany, de nagnolotra fiderana ho an'Andriamanitra.
Chapter 19

1Niditra Jesosy ary nandalo an'i Jeriko.2 Indro, nisy leila ze nantsovina hoe Zakaiosy takeo. Izy de lehiben'ny mpamory hetra sady nanagn-karena.3Niezaka ny hitazagna izy hoe iza Jesosy, kanefa tsy afaka natazagna tao agnaty vahôka, satria foika izy. 4Ka niazakazaka nelô reo ôla izy ary nagnanika hazon'aviavy raika mbô hatazagna an'Azy, satria handalo am'zany lalana zany Jesosy.5Nony tonga takeo am'le tôrana Jesosy, de niandrandra Izy ka nitare tamin'azy hoe: "Ry Zakaiosy, midigna malaky, fa gniany de tsy maintsy hijanona akao an-dragnonao Za." 6De nidigna malaky izy ary nandray an'Azy tam-pifalena. 7Rafa natazagna zany ny daôly, de nitaraina avokoa, nitare hoe: "Niditra hitsidika leila ze mpanota Izy."8Nitsangana Zakaiosy ka nitare tamin'ny Tompo hoe: "Jereo, ry Tompo, ny antsasaky ny fananako de ameko ho an'ny mahantra, ary raha ôtra ka nisy ra nagnambakako ôla, de honerako avo efatra heny."9 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Gniany ny famonjena no tonga akato am'ty tokantragno ty, satria izy kô de zanak'i Abrahama. 10Fa ny Zanak'ôla de tonga mbô hitady sy hamonjy ny very."11Raha naregny zany ra zany zareo, de nanohy nitare Izy ary nagnano fagnoharana raika, satria takeo akaikin'i Jerosalema Izy, ary zareo nieritreritra fa hibôgna teo noho eo ny fanjakan'Andriamanitra. 12Noho zany Izy de nitare hoe: "Nisy tandapa raika nande taigny an-tany lavitra mbô hahazo fanjakana ho an'ny tegnany ary hiverina avy akeo.13Nagnantso folo lahy tam'reo mpanompony izy, ary nagnome farantsa folo an-jareo, ary nitare tamin-jareo hoe: 'Magnanôva raharaham-barotra mandra-piviregnako." 14Kanefa reo vahôkany nankahala an'azy ary nandefa solontegna nagnaraka an'azy, nitare hoe: 'Tsy ilainay ny hanjakan'io leila io aketo aminay.' 15Ary rafa niverigna izy, ary nandray ny fanjakana, de nandidy reo mpanompony ze nameny vola mbô hankeo amin'azy izy, mbô hafantarany ze tombony azon-jareo tamin'ny fagnanôvana raharaham-barotra.16Tonga takeo agnolôny ny vôlôny, nitare hoe: 'Tompo, ny farantsanao de nahazo tombony farantsa folo mihôtra.' 17Nitare an'azy le tandapa hoe: 'Tsara zany, ry mpanompo tsara. Noho anao nahatoky tamin'ny kely de kely, de hanam-pahefana amin'ny tanàna folo anao.'18Tonga le faharôy, nitare hoe: 'Ny farantsanao, Tompo, de nahavita farantsa dimy.' 19Ary nitare tamin'azy le tandapa hoe: 'Hiandraikitra tanàna dimy anao.'20Tonga ny raika hafa, nitare hoe: 'Tompo, indro ny farantsanao, ze notehiriziko tsara takao agnaty lamba, 21fa natatra an'nao za, satria leila maseka anao. Ka maka ze tsy napetrakao, ary mijinja ze tsy nafafinao.'22Nitare tamin'azy le tandapa hoe: 'Amin'ny teninao manokana no hitsarako an'nao, anao ry mpanompo ratsy fanahy. Fantatrao fa za de leila maseka, maka ze tsy napetrako, ary mijinja ze tsy nafafiko. 23Ka magnino ma no tsy napetrakao taigny amin'ny mpitahiry vola ny volako, ka rafa niverigna za de ho nandray zany niaraka tamin'ny zanany?'24Le tandapa nitare tam'reo ze nitsangana teo ankeiky teo hoe: 'Esory amin'azy ny farantsa, ary ameo an'le managna ny farantsa folo.' 25Ary ozy zareo tamin'azy hoe: "Tompo, managna farantsa folo izy.'26'Za mitare aminareo, fa ze daôly managna de hamena mihôtra, fa ze tsy managna, na de ze anagnany aza de ho alaina. 27Fa reo fahavaloko, reo ze tsy nagniry anà hanjaka aketo amin-jareo, ento aty zareo ary vonoy aketo agnolôko.'"28Rafa avy nilaza an'reo ra reo izy, de nande nelô, niakatra ho aigny Jerosalema.29Ary nony tonga takeo ankekin'i Betifaga sy Betania Izy, takeo amin'ny tendrombotra antsovina hoe Oliva, de nagniraka ny rôy tam'reo mpianany Izy, 30nitare hoe: "Mandiana aigny amin'ny tanàna magnaraka. Rafa miditra anareo, de hatazagna zana-boriky raika mbôla tsy nitikinan'ôla mintsy. Vahao zany de ento aty aminà. 31Raha misy magnontany an'nareo hoe: 'Magnino ma no vahanareo io?' de lazao hoe: 'Misy ilàn'ny Tompo an'azy.'32Reo ze niràna de nande ary natazagna le zana-boriky araka ny nolazain'i Jesosy tamin-jareo. 33Raha teo am-pamahana ny zana-boriky zareo, de ozy reo tompony tamin-jareo hoe: "Magnino ma no vahanareo ny zana-boriky?"34 Nitare zareo hoe: "Misy ilàn'ny Tompo an'azy." 35Nentin-jareo taigny amin'i Jesosy zany, ary napetrak'zareo takeo ambonin'ny zana-boriky ny lambany ary nametraka an'i Jesosy teo amboniny. 36Raha nande igny Izy, de novelarin-jareo takeo amin'ny lalana ny lamban-jareo.37Ary rafa nagnakaiky an'le tôrana fidirana amin'ny tendrombotr'Oliva Izy, de nagnomboka nifaly reo mpianany maro be ary nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mafy nohon'ny asa lehibe daôly ze hitan-jareo,38 nitare hoe: "Deraina anie ny mpanjaka ze avy amin'ny agnaran'ny Tompo! Fiadanana aigny an-dagnitra ary voninatra aigny amin'ny avo ndrindra!"39Ny Fariseo sasagny takeo amin'ny vahôka de nilaza tamin'azy hoe: "Mpampianatra ô, tineno mafy reo mpianatrao." 40Namaly Jesosy ary nitare hoe: "Lazaiko aminareo, fa raha mangina reo, de hikikika ny vato."41Rafa nagnantona ny tanàna Jesosy, de nitomany an'azy, 42nitare hoe: "Raha mbô fantatrao mantsy am'zao andro zao, iôny anao, reo ra ze mitondra fiadanana ho an'nao! Nefa am'zao fotôna zao regny de miafina amin'ny masonao.43Fa ho avy aminao reo andro, ze hananganan'ny fahavalonao manda magnodidigna an'nao, ary hanodidigna an'nao, ary hanery an'nao amin'ny lafiny daôly.44 Zareo de handavo an'nao amin'ny tany miaraka amin'ny zanakao. Tsy hamela na de vato raika mifanovogna aza zareo, satria anao tsy nafantatra zany fony Andriamanitra niezaka ny hamonjy an'nao."45Niditra takao an-tempoly Jesosy ary nanomboka nandrôka reo ze nivarotra, 46nitare tamin-jareo hoe: "Efa vôsoratra hoe: 'Ny tragnoko de natao tragno fivavahana,' fa anareo kosa magnano zany ho zohy fisitrifan'reo jiolahy."47Ka de nampianatra isan'andro takao an-tempoly Jesosy. Reo lôhan'ny mpisorogna sy reo mpagnora-dalàna ary reo mpitarika ny vahôka de nitady hamono an'Azy, 48fa tsy nahita fomba hagnanôvana zany zareo, satria nazoto nitaino an'Azy ny vahôka daôly.
Chapter 20

1Ary indray andro, raha nampianatra ny vahôka takao amin'ny Tempoly Jesosy ary nitory ny filazantsara, de nagnatogan an'Azy reo ny lohan'ny mposorogna sy mpanora-dalana miaraka tam'reo loholona. 2Nitare izy reo, nagnano tam'Azy hoe: Lazo aminay hoe: amin'ny fahefana ino no agnanôvanao reo ra reo? Na kô iza no nagnome an'nao zao fahefana zao?"3Namaly Izy ary nitare an'azy reo hoe: Za kô de hametraka fagnontanena aminareo. Tineno an'Anà ny momba 4ny batisan'i Jaona. Nga ma zany avy aigny an-dagnitra se avy amin'ny olombelona?"5Niady hevitra zareo, nitare hoe: Raha hamaly tsika hoe: Avy aigny an-dagnitra de hitare izy hoe: Ka nagnino anareo no tsy nino an'Azy? 6Fa raha mitare tsika hoe: Avy amin'olombelona de hitora-bato antsika ny vahôka daôly, satria zareo de magneky fa Jaona de mpaminagny."7No zany de namaly zareo fa tsy hain'jareo ze niaveny. 8Jesosy nitare tam-jareo hoe: "Za kô tsy hilaza aminareo ze faefana hagnanôvako an'zao ra daôly zao."9Nitineniny tamin'ny vahôka zao fagnoharana zao. "Nisy leila raika nanagna tanim-bôloboka, nampanofa an'zany tamin'ny mpamboly vôloboka, ary hande taigny amin'ny firenena hafa nandritra ny fotôna ela izy. 10Tamin'ny fotôna nifagnomezana de nandefa mpanompo izy ho aigny am'reo mpamboly vôloboka, fa tokony hagnome an'azy ny vokatry ny tanim-bôloboka zareo. Notarôn'reo mpamboly anefa izy, ary nalefany niverigna tagnam-polo."11Avy teo de nandefa mpanompo hafa ndre izy ary de notarôn'jareo kô, nalany baraka ary nalefan'jareo tagnam-polo. 12Mbola nandefa fagnintelony izy ary noratrain'jareo kô izy, ary noroasiny.13No zany de nitare ny tompon'le tanim-bôloboka hoe: 'Ino no ho ataoko? Halefako aigny ny zanako là malalako. Mety mba hajain'jareo izy. 14Fa rafa tazagn'reo mpamboly vôloboka izy, de nifampiresaka zareo, ary nitare hoe: 'Io le mpandova. Andà ho vonointsika izy, mba ho lasantsika ny lova."15Noroasin'jareo niala ny tanim-bôloboka izy ary novonoin-jareo. Ino ary no hataon'ny tanim-bôloboka am'jareo? 16Ho avy izy ary handrôka reo mpamboly vôloboka ary hamindra an'le tanim-bôloboka ho an'ôla hafa." Rafa nareigny an'zany zareo, de nitare hoe: Sagnatrè amin'Andriamanitra!"17Fa nijery an'azy reo Jesosy, nitare hoe: "Ino no dikan'le vôsoratra hoe: Ny vato ze nolavin'reo mpagnorina tragno no tonga vato fehizoro? 18Fa n'iza n'iza potraka amin'io vato io de ho torotoro. Fa n'iza n'iza hianjerany de ho potika."19Ka de nitady hisambotra an'Azy tamin'io fotôna io reo mpanoradalana sy reo mpisorogna, fa fantratr'zareo fa nolazainy io fagnoharana io hanoitra an'azy reo. Kanefa natatra ny vahôka zareo. 20Teo am-pandinihina an'Azy tsara de nandefa mpitsikilo mody ho marina zareo, mba afahan-jareo mahita lesoka amin'ny ze notaraviny, ka hagnolorany an'Azy akeo amin'ny fanapana sy ny faefan'ny governora.21Nagnontany an'Azy zareo, ary nitare hoe: Mpampianatra ô! fantatray Enao fa mitare sy mampianatra ny marina, ary tsy vôsariky ny hevitr'iza na iza, fa enao de mampianatra am-pamarinana, ary lalan'Andriamanitra. 22Mety aminay ma ny mandoa vola hetra ho an'Kaisara, sa tsy mety?"23Fa Jesosy de natakatra ny hafetsen-jareo, ary nitare tam-jareo hoe: 24Mampisehoa denaria raika Aminà. An'iza io sary sy agnarana io? Nitare zareo hoe: an'i Kaisara."25Ozy Izy tam-jareo hoe: No zany ameo an'i Kaisara ze an'i Kaisara ary an'Andriamanitra ze an'Andriamanitra." 26Tsy nahita lesoka tam'ze nolazainy teo agnatrehan'ny vahôka zareo, fa de tofoka tamin'ny valin-teniny ka nangigna.27Rafa tonga teo amin'Azy ny sasagny tam'reo Sadoseo, reo ze mitare fa tsisy ny fitsanganana amin'ny maty, 28nagnotany an'Azy zareo, nagnano hoe: Mpampianatra ô! Mosesy de nanoratra ho antsika fa raha maty sy rahalan'ny leila raika, manam-bady, ary tsy manan-janaka, de tokony haka vady an'le vadin-drahalany le leila, ary hagnome zanaka ho an'ny rahalany.29Nisy mpirahala fito ary ny vôlôny nanambady ary maty tsy nanan-janaka, 30ary ny faharoa kô ôtran'zany. 31Nampakatra an'azy ny fatelo, ary salan'zany avokoa izy fito samy tsy manan-janaka ary maty. 32Tafaran'zany de maty kô le vevavy. 33Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, ho vadin'iza ary izy? Fa samy efa nanambady an'azy izy fito."34Jesosy nitare tam-jareo hoe: Reo zanak'izao tontolo zao de mampaka-bady sy ampakarina. 35Fa reo ze hita am'zao andro zao fa mendrika ny handray ny fitsaganana amin'ny maty de tsy hampaka-bady na hampakarina. 36Tsy ho foaty intsony zareo, satria mitovy am'reo anjely sy reo zanak'Andriamanitra, ze zanaky ny fitsanganana amin'ny maty.37Fa ny maty de natsangana, na Mosesy aza nampiseho, teo am'le tôrana ze nisy ny vôroy, ze nagnantsovany ny Tompo ho Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakaba. 38Ary Izy de tsy Andriamanitry ny maty, fa ny velona, satria ny daôly de velona akao amin'Azy.39Ny sasagny tam'reo mpanora-dalàna namaly hoe: "Mpampianatra ô! tsara ny famalinao." 40Satria tsy sahy nametraka fagnontanena hafa tamin'Azy intsony zareo.41Jesosy nitare an'azy reo hoe: Akôry no ilazan'jareo fa Kristy de zanaka lahin'i Davida. 42Fa Davida tegnany no nitare takao amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Ny Tompo nitare tamin'ny Tompoko hoe: "Mipetrà akeo antagnako ankavanana, 43mandrapagnanôvako ny favalonao ho fitôran-tongotrao." 44No zany Davida de nagnantso an'i Kristy hoe: "Tompo,manakôry no maha zanak'i Davida an'Azy?"45Teo agnatrehan'ny ôla daôly de nitare tamin'ny mpianany Izy nagnano hoe: 46'Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, ze magniry hande miaraka amin'ny akanjo lava mirebareba, sy te arabaina manokana aigny an-tsena, sy mipetraka amin'ny seza vôlôny akao agnaty Synagoga, ary ny tôrana vôlôny amin'ny fanasana. 47Zareo kô de mandany ny tragnon'reo mpitondra-tegna, ary magnano vavaka lavaregny ho fisehosehona. Ny leila ôtran'zany de ahazo fagnamelôna gedabe mitsy.
Chapter 21

1Jesosy nanipy ny masony ka natazagna reo leila manan-karena ze nandrotsaka ny fagnatitr'jareo tao amin'ny fandatsan-drakitra. 2Natazagna mpitondra-tegna mahantra raika nandrotsaka farantsa rôy tao Izy. 3Ka ozy Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo, ty mpitondra-tegna mahantra ty de nandrotsaka betsaka no izy daôly. 4Reo daôly reo de nagnome fagnatitra araka ny haben'ny hareny. Fa ty mpitondra-tegna ty, tamin'ny fantrany, de nandrotsaka ny fivelomany daôly."5Raha nisy betsaka niresaka momba ny tempoly, fa vôravaka vato tsara tarehy sy fagnatitra zany, de ozy Izy hoe: 6"Fa ny am'reo ra tazanaeo reo, mbola ho avy ny andro ze tsy hisy na vato raika aza hijanona amin'ny hafa ka tsy ho ravagna."7Ka nagnontany an'Azy zareo, nagnano hoe: "Ry mpampianatra, rôvigna reo ra reo no hitranga? Ino no famantarana rafa hitranga reo ra reo?" 8Jesosy namaly hoe: "Mitandrema mba tsy ho vôfitaka nareo. Fa betsaka no ho avy amin'ny agnarako, hagnano hoe: "Za no izy," ary, 'Efa akeky ny fotôna." Aza magnaraka an'azy reo. 9Rafa mareigny ady sy fikomina anareo, de aza mihorohoro, fa reo ra reo de tsy maintsy hibôgna alô, fa ny farany de tsy hitranga eo no eo.'10Ary ozy Izy tam'jareo hoe: "Ny firenena de hitsangana hanotra firenena, ary fanjakana hanotra fanjakana. 11Hisy horohoron-tany gedabe, ary silaona sy areti-mandringana aigny amin'ny tôrana samihafa. Hisy tranga mampatatra ary famantarana leibe avy aigny an-dagnitra.12Fa melôn'reo ra daôly reo, de hisambotra an'nareo zareo ary hanenjika an'nareo, hagnolotra an'nareo akao amin'ny synagoga sy ny figadrana, hitondra an'nareo akeo agnolon'reo mpanjaka sy reo mpanapaka non'ny agnarakao. 13Zany de hagnome fafahana ho amin'ny fijoroanareo vavolombelona.14No zany de manapà hevitra akao am-ponareo mba tsy hagnomagna ny 15fiarovanareo melôn'ny fotôna, fa Za hagnome teny sy fahedrena an'nareo, ze tsy afaka toherina sy lavin'reo mpanoitra an'nareo.16Fa anareo kô de ho atolotry ny daday sy nininy, reo rahalà, reo havana sy reo namana, ary zareo de hamono ho foaty ny sasagny aminareo. 17Ho halan'ny sasagny nony agnarako anareo. 18Fa tsisy ho very na de singam-bolo raika akeo amin'ny lônareo aza. 19Amin'ny faretanareo no hamonjenareo ny fagnanareo.20Rafa tazagnareo vôdidina miaramila i Jerosalema, de fantaro fa efa akeky ny faravany. 21De aoka reo ze aigny Jodia hilefa aigny an-tanety, ary aoka reo ze aigny ampovôn'ny tanàna hiala, ary aza avela hiditra akao reo ze aigny ambanivoitra. 22Fa reo no andron'ny valifaty, mba ho tanteraka reo ra daôly efa vôsoratra.23Loza ho an'reo ze mitondra vahôka sy ho an'reo mampinono am'zany andro zany! Fa hisy fahorena gedabe akeo amin'ny tany, ary asosena amin'io vahôka io. 24Ho lavon'ny sabatra zareo ary ho entina ho babo aigny amin'ny firenena daôly, ary Jerosalema de ho vôhosihosin'reo Jentilisa, mandrapatanteraky ny andron'ny Jentilisa.25Hisy famantarana aigny amin'ny masoandro, aigny amin'ny volana, sy aigny amin'ny kintana, ary eto an-tany. Ho tra-pahorena reo firenena, hitaintaina non'ny eron-dranomasina sy reo onja. 26Hisy leila ho toran'ny tatra sy ny fendrasana reo ra ze ho avy aketo an-tany. Fa ho vôhozongozona ny herin'ny lagnitra.27Avy akeo ho tazan'jareo ny Zanak'Ôla tonga aigny amin'ny rondro miaraka amin'ny hery sy voninahita leibe. 28Fa rafa manomboka mitranga reo ra reo, de mitsangàna ary hasandrato ny lônareo, satria efa akeky ny fagnafana an'nareo."29Nagnano fagnoharana tam'jareo Jesosy hoe: "Jereo ny hazon'aviavy, sy reo kakazo daôly. 30Rafa manaroka reo, de ho tazanareo manokana fa efa akeky ny lôtaona.31Salan'zany ihany kô, rafa tazanareo mitranga reo ra reo, de fantatrareo fa efa akeky ny fanjakan'Andriamanitra.32Lazaiko aminareo, marina tokoa, ty taranaka ty de tsy ho foaty mandra-pibôgnan'reo ra reo. 33Ny lagnitra sy ny tany de ho levona, fa reo teniko de tsy ho levona mandrakizay.34Fa mitandrema amin'ny tegnanareo, mba tsy ho vesaran'ny vokatry ny fisotrôgna sy ny famamôgna ny fonareo, sy reo ahiahin'ny fiaignana, ka avy akeo de hikatogna tampoka aminareo salan'ny fandrika zany andro zany. 35Fa zany de ho tonga amin'ny tsiraikaraika ze miaigna magneran-tany.36Fa mba mailo amin'ny fotôna daôly, mivava mba ho ampy hery nareo hilefasana reo ra daôly ze hibôgna, ary hitsanganana akeo agnolôn'ny Zanak'Ôla."37Koa nandritry ny andro de nampianatra tao amin'ny tempoly Izy, ary ny aligna de nande nivôka Izy ary nijanona teo an-tanetin'Oliva. 38Reo vahôka daôly de tonga vô ampôlake-dà mba hitaino an'Azy tao amin'ny tempoly.
Chapter 22

1Ary efa antomotra ny Firavoravoana amin'ny mofo tsisy masirasira, ze antsovina hoe Paska. 2Niady hevitra reo lôhan'ny mpisorogna sy reo mpanora-dalàna ny amin'ny fomba afahan-jareo mamono an'i Jesosy, satria natatra ny ôla zareo.3Avekeo Satana niditra tamin'i Jodasy Iskariota, ze raika tam'reo rombefolo. 4Jodasy nande nankaigny am'reo lôhan'ny mpisorogna sy reo kapiteny ary niady hevitra tamin-jareo ny amin'ny fomba hamadihany an'i Jesosy akeo amin-jareo.5Faly zareo, ary naneky ny hagnome vola an'azy. 6Naneky izy, ary niandry kendry tohana mbô hagnolorany an'Azy akeo amin-jareo lavitry ny vahôka.7Tonga ny andron'ny mofo tsisy masirasira, ze tsy maintsy hagnanôvana sorogna ny zanak'ondrin'ny Paska.8 Jesosy nagniraka an'i Petera sy Jaona, nagnano hoe: "Mandiana ary homagno ho antsikana ny sakafon'ny Paska, mbô afahantsika mihinana an'zany." 9Zareo nagnontay an'Azy hoe: "Aiza no tenao hagnanôvanay ny fagnomanana?"10Namaly an-jareo Izy hoe: "Tandrigneso, rafa miditra ny tanàna anareo, de hisy leila raika mitondra sinin-dragno hifanena aminareo. Magnarà an'azy aigny am'ze tragno idirany. 11De tineno ny tompon-tragno hoe: "Ny Mpampianatra milaza aminao hoe: "Aiza ny efi-tragno fandraisam-bahiny, ze hihinanako ny sakafon'ny Paska miaraka am'reo mpianatro?"12Izy hagnatoro an'nareo efitragno agnambon-dregna geda misy fanaka. Ataovy akao ny fagnomagnana." 13Ka de nnde zareo, ary natazagna ny ra daôly araka ze nokoragniny tamin-jareo. Ary nagnomana ny sakafon'ny Paska zareo.14Rafa tonga ny fotôna, de nipetraka niaraka tam'reo Apostoly Izy. 15De nitare tamin-jareo Izy hoe: "Nagniry mafy ny hihinana ty Paska ty miaraka aminareo Za melôhan'ny hijaleko. 16Fa lazaiko aminareo, tsy hihinana an(ty tsony Za, mandra-patanterak'zany aigny amin'ny fanjakan'Andriamanitra."17De nandray kapôka Jesosy, ary rafa nisaotra Izy, de nagnano hoe: "Raiso ty, ary zarao aminareo. 18Fa lazaiko aminareo, tsy hisotro ny vokatry ny vôloboka tsony Za, mandra-patongan'ny fanjakan'Andriamanitra."19De nandray ny mofo Izy, ary rafa nisaotra, de notapahiny zany, ary nameny an-jareo, de nitare hoe: "Ty ny vatako ze amena ho an'nareo. Ataovo zao ho fatserovana Anà."20 Noraisiny salan'zany kô ny kapôka rafa vita ny sakafo, de ozy hoe: "Ty kapôka ty de le fanekena vaovao amin'ny ràko, ze narotsaka ho an'nareo.21Fa mitandrema. Le raika ze hamadika Anà de miaraka Aminà aketo an-databatra. 22Fa ny Zanak'Ôla de mande tokoa araka ze vôtendry. Fa loza ho an'ze leila ze hamadika an'Azy zany!" 23Nagnomboka nifampagnontany zareo ny amin'ny raika amin-jareoo ze mety hagnano zany.24De nisy fifandirana nitranga kô takeo amin-jareo momba ze heverina ho lehibe ndrindra amin-jareo. 25Nitare tamin-jareo Izy hoe: "Reo mpanjakan'ny Jentilisa de tompon-jareo, ary ze managna faefana amin-jareo de atao ho ôtran'reo ze magnano tsara ho an'ny vahôkany.26Fa tsy ôtran'zany mitsy ny aminareo. Mifagnohitra am'zany, ôka ze lehibe ndrindra aminareo ho lasa ôtran'ny kely ndrindra, ary ôka ze manan-danja ndrindra ho tonga salan'ze magnompo. 27Fa iza no lehibe kokoa, ze mipetraka amin'ny latabatra, se ze magnompo? Tsy ze mipetraka akeo amin'ny latabatra ma? Kanefa Za aketo aminareo ôtran'ny raika ze magnompo.28Fa anareo no ôla ze nanohy niaraka taminà takao amin'ny fakam-panahy nianjady taminà. 29Ameko fanjakana anareo, salan'ny Raiko kô ze nagnome fanjakana Anà, 30mbô ho afaka hihinana sy hisotro akeo an-databatro aigny amin'ny fanjakako anareo, ary hipetraka akeo amin'ny seza fendrianana hitsara ny fokon'ny Israely rombefolo anareo.31Simona, Simona, mitandrema, mikaraka ny hahazo an'nareo Satana,mbô afahany manivana an'nareo ôtran'ny vary. 32Fa nivavaka ho an'nao Za, mbô tsy ho faty ny finoanao. Afaran'ny hiverenanao ndre, de ampaherezo reo ralahinao."33Petera nitare tamin'Azy hoe: "Tompo, vonona hiaraka Aminao za na aigny am-ponja na ho aigny amin'ny fafatesana." 34Jesosy namaly hoe: "Taraviko aminao, ry Petera, tsy haneno ny akoho am'zay andro zay, melôhan'ny handavanao Anà intelo hoe mafantatra Anà anao."35De nitare tamin-jareo Jesosy hoe: "Rafa nandefa an'nareo tsy niaraka tamin'ny fitôram-bola, kitapom-batsy, na kiraro Za, nisy ra tsy ampy an'nareo ma?" Namaly zareo hoe: "Tsisy." 36De nitare tamin-jareo Izy hoe: "Fa zao, ze managna fitôram-bola, ôka izy hiaka an'zany, na kitapom-batsy iany kô. Ze tsy managna sabatra de tokony hivarotra ny lambany ary hividy raika.37Fa Za mitare aminareo, ze vôsoratra momba Anà de tsy maintsy tanteraka: "Izy de noraisina ôtran'ny raika am'reo tsy magnara-dalàna." Fa ze nolazaina melô momba Anà de efa ho tanteraka." 38De nitare zareo hoe: "Tompo, jereo! Reto misy sabatra roey." Izy nitare tamin-jareo hoe: "Ampy zay."39Tafaran'ny sakafo, de nande Jesosy, ôtran'ny fanaony matetika, taigny an-tendrombohitr'Oliva, ary nagnaraka an'Azy reo mpianatra. 40Rafa tonga zareo, de Ozy tamin-jareo: "Mivavaha mbô tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy."41Niala takeo amin-jareo teo ho eo amin'ny indray mitora-bato Izy, de nandongalika Izy ary nivavaka,42 nagnano hoe: "Ray ô, raha sitrakao, de esory ty kapôka ty. Na zany aza tsy ny sitrako, fa ny An'nao no hatao."43De nisy anjely avy aigny n-dagnitra nibôgna tamin'Azy, nampahery an'Azy. 44Takao agnatin'ny fangirififiana, nivavaka tamin-kafanam-po mafy kokoa Izy, ary ny hatsembôny de lasana ôtran'ny rà nitate tamin'ny tany.45Ary rafa nitsangana avy nivavaka Izy, de nankaigny amin'ny mpianatra, ary natazagna an-jareo natory nohon'ny alahelon-jareo, 46ka nagnontany an-jareo hoe: "Magnino no matory anareo? Mitsangàna ary mivavaha, mbô tsy hidiranareo amin'ny fakam-pagnahy."47Raha mbôla nitare Izy, indro nisy vahôka nibôgna, niaraka tamin'i Jodasy, raika am'reo rombefolo, nitarika an-jareo. Nanakeky an'i Jesosy izy mbô hagnoroka an'Azy, 48fa Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Jodasy, mamadika ny Zanak'Ôla amin'ny oroka ma anao?"49Rafa natazagna ny ra nitranga reo ze nagnodidina an'i Jesosy, de nitare zareo hoe: "Tompo, tokony hamely amin'ny sabatra ma zahay? 50Avekeo ny raika tam'reo namely ny mpanompon'ny mpisorognabe, ary nagnapaka ny sofigny havagnana. 51Jesosy nitare hoe: "Ampy zay!" Nokasihiny ny sofogny, ary nositragniny izy.52Jesosy nitare tamin'ny lôhan'ny mpisorogna, tam'reo kapitenin'ny tempoly, ary tam'reo lôholona ze tonga hagnohitra an'Azy hoe: "Tonga ôtran'ny hisambotra mpangalatra ma anareo, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy? 53Taminà niaraka taminareo isan'andro takao an-tempoly, tsy nisambotra Anà anareo. Fa zao no oranareo, sy ny fahefan'ny haizigna."54Takeo am-pisamborana an'Azy, de notarihin-jareo Izy, ary nentin-jareo taigny an-dragnon'ny mpisorognabe. Fa Petera nagnaraka avy taigny lavidavitra. 55Rafa avy nampietra afo takeo ampovôn'ny tokontany ary niara-nipetraka zareo, de nipetraka takeo ampovôn-jareo Petera.56Nisy mpanompo vavy raika natazagna an'azy raha nipetraka takeo amin'ny fazavan'ny afo izy, ary nijery mahitsy an'azy sy nitare hoe: "Ty leila ty kô niaraka tamin'Azy."57 Fa Petera nandà an'zany, nitare hoe: "Ry vevavy, tsy fantatro Izy." 58Afaka kelikely de nisy ôla hafa natazagna an'azy, ary nitare hoe: "Anao kô raika amin-jareo." Fa Petera nitare hoe: "Ry leila, tsy izy za."59Nony afaka adiny ray teo ho eo de nisy leila hafa nagnizingizigna sy nitare hoe: "Marina fa niaraka tamin'Azy kô ty leila ty, fa izy de Galiliana." 60Fa Petera nitare hoe: "Ry leila, tsy fantatro ze tineninao." Teo no ho eo, raha mbôla nitare izy, de nisy akoho nagneno.61Nitodika, ny Tompo nijery an'i Petera, ary Petera nahatsiaro ny tenin'ny Tompo, tamin'ny nitinenany tamin'azy hoe: "Alôhan'ny hagnenon'ny akoho gniany de handà Anà intelo anao." 62Nivôka taigny avelagny Petera ary nitomagny mafy.63Ary reo leila niambina an'i Jesosy de nagnanihany ary nikapoka an'Azy. 64Nasin-jareo sarogna Izy ary nagnontany an'Azy zareo, nitare hoe: "Maminagnia! Iza le ôla ze mikapoka An'nao?" 65Nitare ra hafa maro hagnohitra an'i Jesosy zareo, niteny ratsy an'Azy.66Raha vao nazava ny andro, de niara-niangona reo lôholona, ny lôhan'ny mpisorogna sy ny mpanora-dalàna. Nentin-jareo taigny amin'ny Synedriona Izy 67ary nitare hoe: "Raha Anao no Kristy, de tineno aminay." Fa Izy nitare tamin-jareo hoe: "Raha ho tineniko aminareo, de tsy hino anareo,"68 ary raha hagnontany an'nareo Za, de tsy hamaly anareo.69Fa magnomboka zao, ny Zanak'Ôla de hipetraka akeo an-tagnana an-kavagnan'ny herin'Andriamanitra." 70Izy daôly nitare hoe: "De Zanak'Andriamanitra zany Anao?" Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Vôlazanareo fa Za no Izy."71 Zareo nitareo hoe: "Magnino no mbôla mila vavolombelona tsikana? Fa tsika mitsy no naregny avy tamin'ny vavany."
Chapter 23

1Nitsangana ny ôla daôly tamin-jareo, ary nitondra an'i Jesosy takeo agnolôn'i Pilato.2 Nagnomboka nempanga an'Azy zareo, nitare hoe: "Hitanay ty leila ty nametaveta ny firenenay, nandrara ny hagnomezana ny hetra ho an'i Kaisara, ary nilaza fa Izy tegnany mitsy no Kristy, mpanjaka."3Pilato nagnotany an'Azy, nitare hoe: "Anao ma no mpanjakan'ny Jiosy?" Jesosy namaly an'azy ary nitare hoe: "Vôlazanao." 4Pilato nitare tam'reo lôhan'ny mpisorona sy reo vahôka hoe: "Tsy mahita fadisona am'ty leila ty za." 5Fa mbôla nagnizingizigna zareo, nitare hoe: "Magnakorontana ny vahôka io, mampianatra eragn'i Jodia manontolo, manomboka avy aigny Galilia na hatraty am'ty tôrana ty aza."6Ka rafa regnin'i Pilato zany, de nagnontany izy raha ôtra ka Galiliana le leila. 7Rafa hitany fa takao ambany faefan'i Heroda Izy, de nalefany Jesosy nankaigny amin'i Heroda, ze taigny Jerosalema iany kô tam'zany andro zany.8Rafa tazagn'i Heroda Jesosy, de tegna ravoravo izy, satria efa te-hahita an'Azy hatramin'ny ela. Naregny ny momba an'Azy izy ary nagnantena ny hahita fagagana betsaka nataony. 9Heroda nametra-pagnontanena an'i Jesosy tamin'ny teny maro, saingy Jesosy tsy namaly na ino na ino an'azy. 10Reo lôhan'ny mpisorona sy reo mpanora-dalàna nitsangana, nempanga mafy an'Azy.11Heroda sy reo miaramilany nanevateva an'i Jesosy sady nagnesoeso an'Azy. 12Avekeo de nampekanjo an'Azy lamba tsara tarehy zareo ary nalefan-jareo niverigna taigny amin'i Pilato Izy. Fa Heroda sy Pilato de lasa mpinamana tamin'ny androtr'io (Talôhan'zany de mpifavalo zareo).13Avekeo Pilato nagnantso an'reo lôhan'ny mpisorona sy reo mpanapaka ary reo vahôka betsaka niaraka, 14ary nitare tamin-jareo hoe: "Nentinareo taketo aminà ty leila ty salan'ny leila ze mitarika ny ôla hagnano ratsy, ary jerevo, za, raha nametra-pagnontanena tamin'Azy takeo agnolônareo, de tsy mahita fadisôna am'ty leila ty makasika an'reo ra ze hiampanganareo an'Azy.15Tsia, na de Heroda aza, satria nalefany niverigna taty amintsika Izy, ary jerevo, tsisy na ino na ino ze mendrika fafatesana vitany.16 Noho zany de ho faiziko Izy, ary havotsotro Izy."17 [Fagnamarihana: Reo fandikana tsara ndrindra de tsy magnisy ny And17 hoe: Ary Pilato de vôtery namotsotra gadra raika ho an'reo Jiosy tamin'ny andro firavoravôna.]18Fa niara-nikikika mafy zareo, nagnano hoe: "Ento aigny io leila io, ary avotsory ho an'nay Barabasy!" 19Barabasy de leila raika ze nampidirigna am-ponja nohon'ny fikomiana betsaka takao an-tanàna sy famonoana ôla.20Ary nitare tamin-jareo ndre Pilato, nangniry ny hamotsotra an'i Jesosy. 21Saingy nitabataba mafy zareo, nitare hoe: "Homboy Izy, homboy Izy." 22Nitare tamin-jareo fanintelony izy hoe: "Magnino, fa ino no ratsy vitan'ty leila ty? Tsy nahita na ino na ino ze mendrika sazy famonoana takao amin'Azy za. Noho zany rafa avy magnafay an'Azy, de hamotsotra an'Azy za."23Fa zareo nagnizingizigna tamin'ny feo avo, nangataka an'Azy mbô homboana. Ny feon-jareo de nandresy latra an'i Pilato. 24Ka de nanapa-kevitra ny haneky ny fangatahan-jareo Pilato. 25Navotsony le raika nangatahin-jareo ze nalefa taigny am-ponja nohon'ny fikomiana sy famonoana ôla. Fa natolony ho amin'ny Sitrapon-jareo Jesosy.26Ary teo am-pitondrana an'Azy zareo, de nitàna an'i Simona avy aigny Syrenie, ze avy aigny ambanivotra, ary napetrak'zareo takeo amin'azy ny hazofijalena mbô ho entiny, nagnaraka an'i Jesosy.27Betsaka tam'reo vahôka, sy reo vevavy ze nalaelo mafy sy nisaona an'Azy, no nagnaraka an'Azy. 28Fa rafa nitodika taigny amin-jareo, de nitare Jesosy hoe: "Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Anà, fa mitomane ho an'ny tegnanareo sy ho an'reo zanakareo.29Fa indro, ho avy ny andro ze hitinenan-jareo hoe: 'Sambatra reo momba sy reo kibo ze tsy niteraka, ary ny nono ze tsy nampinono zaza.' 30Ary de hagnomboka hitare am'reo tendrombotra zareo hoe: 'Menjerà aminay,' ary amin'ny tanety hoe: 'Magnarôna an'nay.' 31Fa raha magnano an'zany ra zany zareo raha mbôla maitso ny kakazo, ino no hitranga rafa maigna zany?"32Nisy leila hafa, olon-dratsy anakiroa, nentina niaraka tamin'Azy mbô ho vonoina.33Rafa tonga takeo amin'ny tôrana raika ze antsovina hoe: "Ikarandoha" zareo, de takeo no nagnomboan-jareo an'Azy, sy reo ôlon-dratsy - ny raika takeo amin'ny ankavanany ary ny raika takeo amin'ny ankaveny. 34Jesosy nitare hoe: "Ray ô, mamelà an-jareo, fa tsy fanatr'zareo ze ataony." Avekeo de niloka zareo, naizarazara reo fitafeny.35De nitsangana nijery takeo reo ôla raha mbôla nagnanihany an'Azy kô reo mpanapaka, nitare hoe: "Namonjy an'reo hafa Izy. Avelao Izy hamonjy ny tegnany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, le raika vôfidy."36Reo miaramila iany kô de nagnala baraka an'Azy, nagatona an'Azy, nagnome an'Azy vinaikitra, 37ary nitare hoe: "Raha Anao no mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tegnanao."38 Nisy famantarana iany kô takeo agnambony hoe: "Ty no mpanjakan'ny Jiosy."39Ny raika tam'reo ôlon-dratsy ze nisangatona takeo no namingavinga an'Azy tamin'ny nitinenany hoe: "Tsy anao ma no Kristy? Vonjeo ny tegnanao sy zahay." 40Fa ny anakiray nitare mafy an'azy, nagnano hoe: "Tsy mbô matatra an'Andriamanitra ma anao, raha samy ambanin'ny fagnamelôna mitovy iany?41 Tsika de aketo ara-drarigny tokoa, satria mandray ze mendrika ny asantsika tsikana. Fa ty leila ty tsy nagnano ra ratsy."42Avekeo izy nitare hoe: "Jesosy ô, tadidio za rafa tonga aigny amin'ny fanjakanao Anao."43 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Taraviko marina aminao, fa gniany anao de hiaraka aminà aigny am-paradisa."44Ary ora faenina teo ho eo tam'zany, ary ny aizigna avy nandrakotra ny tany manontolo hatramin'ny ora fasivy 45raha ne maizigna ny hazavan'ny masoandro. Avekeo ny lamban'ny tempoly de nizara avy takeo ampovôny.46Nikikika tamin'ny feo mafy, Jesosy nitare hoe: "Ray ô, akeo an-tagnanao no ametrahako ny fagnahiko." Rafa avy nitare an'zany, de maty Izy.47Rafa tazagn'le kapitey ny ra nitranga, de nagnome voninatra an'Andriamanitra izy, nitare hoe: "Azo antoka tokoa fa ôlo-marina ty leila ty."48Rafa tazagn'reo vahôka daôly ze niara-tonga ho vavolombelona nagnatri-maso reo ra nitranga reo, de niverigna niteha-tratra zareo.49 Fa reo daôly ze nafantatra an'Azy, sy reo vevavy ze nagnaraka an'Azy avy aigny Galilia, de nitsangana taigny alavidavitra, nijery an'zany ra zany.50Ary indro, nisy leila raika antsôvina hoe Josefa, ze mpikambagna takao amin'ny Synedriona. Ôla tsara sady marina izy. 51Io leila io de tsy nangeky ny fanapa-kevitry ny Synedriona sy ny asan-jareo. Avy aigny amin'ny tanànan'ny Jodiana taigny Armatia izy; ary izy de nikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra.52Io leila io, raha nagnatona an'i Pilato, de nangataka ny vatan'i Jesosy. 53Nalainy nidigna zany, norakofany hariry madinika, ary napetrany takao agnaty fasagna raika ze novakiana tamin'ny vatolampy, ze tsy mbôla nisy ôla nalevigna mitsy.54Andron'ny fiomanana tam'zany, ary mbôla nazava ratsy ny Sabata. 55Reo vevavy, ze niaraka tamin'i Jesosy niala tao Galilia, de nagnaraka avy akao afara ary natazagna fasagna sy ny fomba nametràna ny fatiny.56 Niverigna zareo, ary nagnomana ra magnitra sy menaka magnitra. Ary tamin'ny Sabata de nitsahatra zareo araka ny didy.
Chapter 24

1Ny ampalakeka tamin'ny andro vôlôgn'ny herignandro, de nankaigny amin'ny fasagna zareo, nitondra reo ra-magnitra ze nokarakarain-jareo. 2Tazagn-jareo nikodia lavitry ny fasagna le vato. 3Niditra takao zareo, kanefa tsy nahita ny vatan'ny Tompo Jesosy.4Ary, raha mbôla sahiran-tsaigna momba zany zareo, tampoka teo, de nisy leila rôy nagnano fitafena mamirapiratra nitsangaa teo agnilan'reo. 5Ary rafa feno tatra reo vevavy de nenkoka tamin'ny tany, nitare tam'reo vevavy zareo hoe: "Magnino ma anareo no mikaraka ny velona aty amin'ny maty?6Tsy akato Izy, f'efa nitsangana! Tadidio ny nilazàny an'nareo fony Izy mbôla taigny Galilia,7 nagnambara fa ny Zanak'ôla de tsy maintsy hatolotra ho akeo an-tanan'ny ôla mpanota ka hofantsihana akeo amin'ny hazo fijalena, ary amin'ny andro fatelo de hitsangagna ndray."8Reo vevavy de natadidy reo teniny, 9ka niverina avy taigny amin'ny fasagna ary nilaza zany ra daôly zany tam'reo raika ambin'ny folo sy ny ambiny daôly. 10Ary Mary Magdalena, Johana, Mary renin'i Jakoba, ary reo vevavy hafa niaraka tamin'azy de nitatitra zany ra zany tam'reo apostoly.11Fa zany hafatra zany de ôtran'ny tsisy varagny tam'reo apostoly, ka tsy nino reo vevavy zareo. 12Kanefa nitsangana Petera, de nihazakazaka nankaigny amin'ny fasagna, ary niondrika sy nijery tao, de nahita reo lambam-paty nitokana. Ary Petera nody taigny an-dragnony, nagnontany tegna ny am'ze ra nitranga.13Indreo, ny roey tamin-jareo nande tamin'io andro io ho aigny amin'ny tanàna atao hoe Emaosy, ze animpolo stadio miala an'i Jerosalema. 14Zareo de nifampiresaka momba reo ra daôly ze nitranga.15Ary, raha niara-niresaka sy niara-nametra-pagnontaniana zareo, de nagnantona sy nande niaraka tamin-jareo Jesosy. 16Fa ny mason-jareo de nosakanana mbô tsy hafantatra an'Azy.17Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Ino no koraginareo roey aty am-pandianana?" De nijanona zareo sady nalahelo endrika. 18Ny raika tamin-jareo, nantsôvina hoe Kleopasy, namaly an'Azy hoe: "Anao rerika ma no ôla tao Jeroalema tsy mafantatra reo ra nitranga taigny tam'zany andro zany?19Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Ra ino ma?" Zareo namaly an'Azy hoe: "Reo ra mikasika an'i Jesosy le Nazarena, ze mpaminagny, nahery tamin'ny asa sy ny teny takeo agnatrehan'Andriamanitra sy ny ôla daôly, 20ary ny fomba nagnoloran'reo lôhan'ny mpisorogna sy reo mpanapakay an'Azy mbô ho melohana ho faty sy ny nanombôana an'Azy takeo amin'ny hazofijaliana.21Kanefa zahay nagnantegna fa Izy no le hagnafaka an'Israely. Iôny, ary ankôtran'zany daôly zany, telo andro gniany zao no nitrangan'zany ra daôly zany.22Nefa kô, ny vevavy sasagny tamin'ny namanay de navarena an'nay, ze taigny amin'ny fasagna vô ampalakeka. 23Rafa tsy nahita ny vatany zareo, de avy, nitare fa zareo kô de nahita fahitana anjely ze nilaza fa velona Izy. 24Ny leila sasagny ze niaraka taminay de nande taigny amin'ny fasagna, ary nahita zany araka ze vôlazan'reo vevavy. Saingy tsy nahita an'Azy zareo."25Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Ry leila adala sy votsa saigna ze tsy mino reo daôly vôlazan'ny mpaminagny! 26Tsy tokony hihatra amin'i Kristy ma ny nijaly tam'regny ra regny, ka hiditra aigny amin'ny voninahiny?"27 Ary nanomboka tamin'i Mosesy ka hatramin'ny mpaminany daôly, de nadikan'i Jesosy tamin-jareo tao amin'ny Soratra Masina ny momba ny Tenany.28Nony nanankeky le tanàna ze nandianany zareo, de naneho fihetsika ôtran'ny hoe hande lavidavitra Jesosy. 29Fa nanery an'Azy zareo, nitare hoe: "Mijagnona aketo aminay, f'efa ho hariva zao ary efa hifaragna ny andro." Ka niditra mbô hijagnona niaraka tamin-jareo Jesosy.30Ary, rafa nipetraka mbô hiaraka hinana tamin-jareo Izy, de niaka ny mofo, nisaotra zany, sy namaky zany, ary nagnome zany an-jareo. 31Avekeo nisokatra ny mason-jareo, ka nafantatra an'Azy, ary nanjavogna takeo amason-jareo Izy.32 Zareo nifampitare hoe: "Ny fotsika ma tsy niredareda takao agnatintsika, raha nitare tamintsika taigny an-dalana Izy, raha nagnokatra ny Soratra Masina tamintsika Izy?"33Nitsangana zareo tamin'io ora io, ka niverigna taigny Jerosalema. Nahita reo raika ambefolo niara-nivory zareo, sy reo ze niaraka tamin-jareo,34 nitare hoe: "Ny Tompo de nitsangana tokoa, ary nibôgna tamin'i Simona." 35Ka nolazain-jareo ze ra nitranga taigny an-dàlana, sy ny fomba nibôgnan'i Jesosy tamin-jareo tamin'ny fanapahana an-le mofo.36Raha nitare zany ra zany zareo, de nitsangana takeo ampovôn-jareo Jeost tegnany, ary nitare tamin-jareo hoe: "Fiadanana anie ho an'nareo." 37Saingy taitra sy natatra zareo, ary nihevitra fa nahita fanahy.38Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Magnino anareo no matatra? Magnino no misy fagnontanena akao am-ponareo? 39Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa Za tegnako ty. Kasiho Za ka jereo. Fa ny fanahy tsy managna nofo sy tôlagna, araka ny ahitanareo Anà hoe managna." 40Rafa nitare zany Izy, de nabôgnany tamin-jareo ny tanany sy ny tongony.41Mbôla tsy nino zany zareo nohon'ny hafalena, ary gaga zareo. Jesosy nitare an-jareo hoe: "Managna ra hohanina ma anareo?"42 Namen-jareo trondro vôtono Izy, 43ka nalainy zany ary nohaniny takeo agnolôn-jareo.44Izy nitare tamin-jareo hoe: "Tamin'Za niaraka taminareo, de nilaza taminareo fa ze daôly vôsoratra tao amin'ny lalàn'i Mosasy sy reo mpaminagny ary reo salamo de tsy maintsy ho tanteraka."45Ary nosokafany ny saign-jareo, mbô hazoan-jareo ny Soratra Masina. 46Nitare an-jareo Izy hoe: "Zao no vôsoratra, fa le Kristy de hijaly, ary hitsangana amin'ny maty ndre amin'ny andro fatelo. 47Fibebahana sy famelan-keloka no tokony ho toriana amin'ny agnarany aigny amin'ny firenena daôly, magnomboka akao Jerosalema.48Anareo no vavolomnelon'regny ra regny.49 Indro, halefako aminareo ze nampanantenain'ny Raiko. Kanefa mipitraha akao an-tanàna mandra-pitafinareo ny hery avy aigny ambony."50Ary Jesosy nitarika an-jareo mandra-patongan-jareo taigny Betania. Nasandrany ny tagnany, ary notahiany zareo. 51Ary, rafa nitso-drano an-jareo Izy, de nandao an-jareo Izy ary lasa nakarina taigny an-dagnitra.52De nidera an'Azy zareo, ary niverina taigny Jerosalema tamin'ny fefalena lehibe. 53Nitohy nankao amin'ny tempoly zareo, nankalaza an'Andriamanitra.

Acts

Chapter 1

1Ny boky nosoratako takeo alô, ry Teofilo, de magnambara ny daôly ze natombok'i Jesosy sy nampenariny, 2hatramin'ny andro nampekarana an'Azy, avekeo de nandidy reo Apostoly ze nofidiny tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izy. 3Tafaran'ny nijaleny, de nampibôgna ny tegnany velona tamin-jareo Izy niaraka tam'reo porofo mandresy latra maro. Nibôgna tamin-jareo Izy nandritra ny efapolo andro, ary nikoragna momban'ny fanjakan'Andriamanitra.4Rafa niaogna niaraka tamin-jareo Izy, de nandidy an-jareo tsy hiala akao Jerosalema, fa hiandry ny fampagnantenan'ny Ray, momba ze, nolazaina hoe: "Nandregny taminà anareo 5fa nagnano batisa tamin'ny rano tokoa i Jaona, fa anareo de tokony hatao batisa amin'ny Fanahy Masina akao agnaty andro vitsy."6Rafa tafavory niaraka zareo de nagnontany an'Azy zareo hoe: "Tompo, zao ma no fotôna amerenanao ny fanjakana ho an'Israely?" 7Ozy tamin-jareo hoe: "Tsy anareo no hafantatra ny fotôna na reo vanin'andro ze notendren'ny Ray tamin'ny faefany magnokana. 8Fa rafa tonga kosany ny Fanahy Masina de ahazo hery anareo, ka ho lasana vavolombeloko eran'ny Jerosalema sy Jodia ray manontolo ary Samaria, sy hatraigny amin'ny faran'ny tany."9Rafa nikoragna an'zany ra zany i Jesosy Tompo, de niandrandra zareo, nakarina Izy, ary ny rôndro nanakona an'Azy takeo amason-jareo. 10Raha mbôla nibanjina ny lagnitra igny zareo tamin'ny nandianany, tampoka takeo, nisy rôlà nekanjo fotsy nitsangana takeo agnilan-jareo. 11Nitare zareo hoe: "Ry leila avy aigny Galilia, magnino anareo no mitsangana aketo mijery ny lagnitra? Igny Jesosy nalaina taminareo ze nampekarina aigny an-dagnitra igny, de hiverigna salan'ny natazagnanareo an'Azy niakatra aigny an-dagnitra takeo igny.12Avekeo zareo de niverigna taigny Jerosalema avy takao amin'ny tendrombotr'Oliva, ze akeo ankekin'ny Jerosalema, mitovy amin'ny dean'ny andro Sabata raika. 13Rafa tonga zareo, de niakatra takao amin'ny efitra agnambo-rena, ze nitôran-jareo. Zareo de i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo, Simona Zelota, ary Jodasy zanak'i Jakoba. 14Nitambatra ho raika izy daôly, ary nazoto nivavaka. Anisan'zany reo vevavy, Maria renin'i Jesosy, sy reo ralahiny.15Tam'zany andro zany i Petera de nitsangana takeo ampovôn'reo ralahiny, eo amin'ny ôla 120 eo, ary nitare hoe: 16"Ry ralahy, tegna nilana ny fatanteran'ny Soratra Masina, ze nambaran'ny Fanahy Masina melô tamin'ny vavan'i Davida momba an'i Jodasy, ze nitondra reo ôla nisambotra an'i Jesosy."17Fa anisan'ny raika amintsika izy ary nahazo ny anjarany tam'zao fanompoana zao." 18(Am'zao fotôna zao io leila io de nividy saha tamin'ny vola azony tamin'ny faratsena izy, ary lavo nenkôtra takeo izy, ka nisokatra sy nipôka ny vatagny, ary nivôka avokoa ny tsinainy. 19Reo ôla daôly takao Jerosalema de naregny ny momba an'zany, ary niantso an'io saha io tamin'ny fitenin-jareo hoe: "Akeldama," zany hoe: "Sahan-dRà)20F'efa vôsoratra akao amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: "Avelao ho lao ny sahany, ary aza avela na de ôla raika aza hipetraka akao; avelao ho raisin'ny ôlon-kafa ny andraikiny."21Noho zany, de ilaina, ny raika am'reo leila niaraka tamintsikana nandritran'ny fotôna daôly nidiran'i Jesosy Tompo sy ny nivôkany taketo amintsikana, 22hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro niakarany takeo amintsikana, de tsy maintsy vavolombelona miaraka amintsika amin'ny fitsanganany." 23Ary nametraka rôlà zareo, de i Josefa nantsôvigna hoe Barsabasy, na kô atao hoe Josto, ary Matia.24Nivavaka zareo ary nitare hoe: "Anao, ry Tompo, no mafantatra reo fon'ny ôla daôly, ka ambarao ze hofidinao amin'izy rôlà 25mbô haka ny tôrana akato am'zao fanompoana zao sy ny maha Apostoly nohon'ny fandikan-dalàna ze nataon'i Jodasy hande ho aigny amin'ny tôrany manokana. 26Zareo de niloka ho an-jareo, ary nilatsaka tamin'i Matia ny filokana, ary vôisa ho Apostoly raikambefolo izy.

Chapter 2

1Rafa tonga ny andro Pantekosta, de niangona tam'tôrana raika zareo daôly.2 Tampoka takeo avy taigny an-dagnitra nisy feo ôtran'ny rivotra mahery nifofofofo, ary nameno ny tragno iray manontolo ze nentôran-jareo. 3Nisy afo nendrika lela maro ze nizarazara, ary nipetraka tambonin-jareo tsiraikaraika avy. 4Izy daôly de feno ny Fanahy Masina ary nanomboka niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araky ny namen'ny Fanahy Masina hitenenan-jareo.5Ary nisy Jiosy ze nipetraka tao Jerosalema, ôlon'Andriamanitra, avy amin'ny firenena daôly ambanin'ny lagnitra. 6Rafa naregny an'zany feo zany reo vahôka de nitarognona, sady sahiran-tsaigna satria ny tsiraikaraika de samy naregny an-jareo nitare tam'fiteniny avy. 7Zareo de magnana sy gaga; nitare hoe: "Marina, fa tsy reo daôly mitare reo ma no Galiliana?8Nagnino no maregny an-jareo tsika, amin'ny fitenintsika tsiraikaraika avy ze nahageda an'ntsika? 9Partianina sy Medianina ary Elemita, ary reo ze mipetraka aigny Mesopotamia, aigny Jodia sy Kapadokia, aigny Ponto sy Asia, 10Frygia sy Pamfylia, aigny Egypta ary Libya hatraigny am'Kyrena, ary reo mpitsidika avy aigny Roma, 11Jiosy sy Proselyta, Kreatana sy Arabo, de reignintsika mikoragna am'fitenintsika mikasika ny aza gedabe ataon'Andriamanitra.12Zareo de gaga ary sahiran-tsaigna; ary nifampiresaka zareo hoe: "Ino no dikan'zany?"13 Fa reo sasagny nagneso sady nitare hoe: "Izy reo de mamon'ny divay vaovao."14Fa i Petera nitsangana niaraka tam'izy raika ambefolo, nampiakatra ny feony ary nilaza tam-jareo hoe: "Ry leilan'i jodea sy anareo daôly ze mipetra aketo Jerosalema, ôka ho fantatrareo zao, tandremo reo teniko. 15Tsy mamo araka ze heverinareo zahay fa vao ora fatelo amin'ny andro zao.16Fa zao le vôlaza tam'i Joela mpaminagny hoe: 17"Amin'ny andro farany ozy Andrimanitra, No handatsako am'ôla daôly ny Fanahiko. Reo zanakareo là sy ny zanakareo vavy de haminagny, ny zatovonareo de hahita fahitana, ary ny anti-dahinareo hagnonofy.18Ôtran'zany kô ny am'reo mpanompoko là sy ny mpanompoko vavy am'reo andro reo. Halatsako ny Fanako, ary zareo de haminagny. 19zao de hampiseho ra-magaga egny amin'ny lagnitra agnambo sy famantarana egny amin'ny tany ambany, rà, afo, ary enton-tsetroka.20Ny masoandro de ho lasana haizigna ary ny volana ho lasa rà, melôn'ny andro leibe sy miavaka hevian'ny Tompo. 21Ary ny ôla daôly ze miantso ny agnaran'Andriamanitra de ho vôvonjy.22Ry olon'Israely, tandrineso zao teny zao: Jesosy avy aigny Nazareta, le ôla nabôgna an'nareo tamin'ny alalan'Andriamanitra mba ho marina am'reo asa leibe, reo fagagana, ary reo famantarana ze nataon'Andriamanitra taminazy teo ampovônareo, araka ny fantatry ny tenanareo. 23Io leilà io de natolotry ny drafitr'Andriamanitra ze efa nomagnina melô sy ny falalany, ary ny tagnan'ny mpandika lalàna sy anareo, namono an'azy tam'famantsena an'azy teo amin'ny hazo fijaliana. 24Fa Andriamanitra nanangana an'Azy, nagnafaka an'Azy tam'reo fanaintaignan'ny fafatesana, satria sarotra ho an'Azy ny niala tam-zany.25Fa i Davida miteny momba an'azy hoe: "Nahita ny Tompo teo agnolôko mandrakariva za, fa aketo an-tagnan-kavanako Izy ka tsy tokony hangozohozo za. 26De tegna faly ny foko ary niravoravo ny lelako. Ary ihany kô, ny nofoko hivelona amin'ny fatokiana.27Fa tsy nilôsanao ho aigny amin'ny Fiaignan-tsy hita ny fagnako ary tsy hamela ny Iray Masina ho lo enao. 28Nampafantatra anà reo lalan'ny fiaignana Enao; Enao de hameno fifaliana anà amin'ny endrikao.29Ry rahalà, afaka miresaka aminareo am-pitokina momba an'i Davida Patriarika za: Efa maty izy no nalevigna, ary ny fasagny de aketo amintsika mandrak-zao. 30No zany, mpaminagny izy ary fantany fa efa nianiana taminy Andriamanitra, fa ny taranagny no akeo akeo amin'ny seza fendrianany. 31Efa hitany zany de nikoragna mikasika ny fitsangananan'i Kristy tamin'ny fafatesana, sady izy tsy navela takao amin'ny fiaignan-tsy hita, no tsy nagnano ny nofony ho tratry ny fahalovana.32Io Jesosy io-Andriamanitra no nanangana an'Azy, ka vavolombelon'zany zahay daôly. 33No zany rafa nasandratry ny tagnan'ankavanan'Andriamanitra Izy de nandray ny Fanahy Masina nampagnantenaina avy tamin'ny Ray, efa narotsagny izany, ze hitanareo sy reigninareo.34Fa i Davida de tsy niakatra taigny an-dagnitra fa izy nitare hoe: 'Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko, "mipetra aketo an-tagnako ankavanako, 35mandra-pagnanôvako ny favalonao ho fitôran-tongotrao." 36No zany, ôka ho fantatry ny daôly ny tranon'Israely fa Andriamanitra no nagnano an'Azy ho Tompo sy Kristy, le Jesosy ze nombonareo."37Ary raha nareigny an'zany izy reo, vôtsindrona ny fon'jareo, ary niteny tamin'i Petera sy reo apostoly ambiny hoe: "Rahalà, ino no tokony ho ataonay?" 38Avy akeo Petera nitare tam-jareo hoe: "Mibeba magnanôva batisa, anareo tsiraikaraika avy, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy mba ho famelana ny fahotanareo, sy mba handraisanareo ny fagnomezan'ny Fanahy Masina. 39Fa ny fampagnantenana de ho anareo sy ny zanakareo ary reo daôly ze lavitra, ka ho betsaka reo ôla ze ho antsovin'ny Tompo Andriamanintsika."40Niaraka tamin'ny teny betsaka hafa no nijoroany ho vavolombelona sy nandrisiny an'azy reo; nilaza izy hoe: "Vonjeo ny tegnanao am'ty taranaka ratsy fagna ty." 41Ary izy reo nandray ny teniny ka natao batisa, ary tokony fagnan'ôla teo am'telo arivo takeo no nampena tamin'io andro io. 42Nanohy sy niharitra ny asa fitoriana sy ny fampenaran'ny apostoly zareo, teo amin'ny fanampahany ny mogo sy ny fivavahana.43Tonga teo amin'ny fagnan'ny tsiraikaraika ny tatra, ary fagagana sy famantarana betsaka no vita tamin'ny alalan'ny apostoly. 44Reo daôly nino de niangona ary nagnana ra nitovy,45 ary zareo de nivarotra taniny sy fanagnany ka nizara izany tam'izy daôly, arak'ze nilainy avy.46Ary isan'andro isan'andro de nitohy nanompo tam'fomba fijery mitovy takao an-tempoly zareo, sy nanapaka ny mofo takao an-trano, ary nizara sakafo tamim-pifaliana sy fo feno fagnetren-tegna; 47Nidera an'Andriamanitra ary nahazo fankasitrahana tam'ôla daôly. Isan'andro ny Tompo de nanampy ny isan'reo ze vôvonjy.
Chapter 3

1Ary Petera sy i Jaona niakatra taigny an-tempoly tamin'ny fotôna fivavahana, ny ora fasivy. 2Ary nisy raika nalemy hataigny ankibon-dreniny nentina isan'andro teo amin'ny vavahady tsara endriky ny tempoly, mba hangataka fagnomezana ara-bola aigny am'reo ôla ze mankaigny an-tempoly. 3Rafa natazagna an'i Petera sy i Jaona ze hande hiditra ny tempoly de nangataka fagnomezana ara-bola tamin-jareo izy.4Nibanjina ny masony niaraka tam'i Jaona i Petera de nitare hoe: "Tazagno izahay." 5Le leila malemy nijery an'jareo, nagnantena ny handray ra avy aigny am-jareo. 6Nefa i Petera nitare hoe: "Volafotsy sy volamena no tsy anagnako, fa ze anagnako no hameko an'nao. Amin'ny agnaran'i Jesosy kristy avy aigny Nazareta, mandeana."7Nandray an'azy tamin'ny tagnana ankavanana i Petera ka nanangana an'azy, ary avy hatraigny de lasa natanjaka ny tongotry le leila sy ny kitrokeliny. 8Nitsabikina le leila nalemy de nitsangana ka nanomboka nande; ary niara-niditra tamin'i Petera sy Jaona takao an-tempoly izy, nande nitsambikina ary nidera an'Andriamanitra.9Ny ôla daôly de natazagna an'azy nande sy nidera an'Andriamanitra. 10Tsikaritry zareo fa izy le leila nangataka fagnomezana ara-bola tamin'ôla teo am'le vavahady taran'ny Tempoly; ary tegna gaga sy talanjogna zareo nony ra nitranga tamin'azy.11Ary noho izy nitana an'i Petera sy Jaona, de nitorotra ny ôla daôly nankaigny amin-jareo taigny amin'ny fialofana ze nantsovina hoe: fialofan'i Solomona, ary tegna talanjogna. 12Rafa natazagna an'zany i Petera de namaly ny ôla hoe: "Anareo ry vahôkan'Israely, nagnino no talanjogna anareo? Nagnino ny masonareo no mandinika an'nay, ôtran'ny hoe herinay na fahamasinanay manokana no nampande an'azy?13Ny Andriamanitry Abrahama, sy an'i Isaka sy an'i Jakoba, le Andriamanitry ny raintsika, no nagnome voninahitra an'i Jesosy mpanompony. Izy le natolotrareo sy nolavinareo teo agnolon'i Pilato, tamin'izy nanapakevitra handefa an'azy. 14Nolavinareo le raika ze Masina sy Marina ary naleonareo nangataka le mpamono ôla mba alefa ho an'nareo.15Novonoinareo ny mpagnorina ny fiaignana, nefa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty - ary vavolombelon'zany zahay.16 Am'zao fotôna zao noho ny finona ny agnarany le leila ze hitanareo sy fantatrareo, igny agnarana igny ihany no nahatonga an'azy matanjaka. Ny finona avy amin'i Jesosy no nagnome izao fagnasitragnana feno ho an'azy aketo agnatrihanareo daôly zao.17Am'zao fotôna zao, ry rahala, fantatro fa nagnano an'zany anareo noho ny tsy fafataranareo, salan'ny nataon'reo mpitondra an'nareo kô. 18Fa reo ra ze vôlazan'Andriamanitra mialô tamin'ny vavan'reo mpaminagny daôly, tokony hijaly ny Kristiny, ary efa tanteraka am'zao zany.19Mibebaha, noho zany, ary miveregna, mba ho vonoana ny fahotanareo, mba ho velombelona akeo agnatrehan'ny Tompo anareo amin'ny fotôna; 20Ary andefa an'i Kristy ze vôtendry ho anao izy, de Jesosy.21Izy le tsy maintsy ho raisin'ny Lagnitra ambara-patongavan'ny ora fameregnana amin'ny laoniny ny ra daôly, momba ze nolazain'Andriamanitra fahiny tamin'ny vavan'ny mpaminagny masina. 22Nitare takô i Mosesy hoe: "Ny Tompo Andriamanitra de hanangana mpaminagny ôtran'anà avy am'reo rahalanareo. Anareo hareigny ny ra daôly ze ho lazainy aminareo. 23Hitranga ny hoe: ze ôla daôly tsy mitaino izany mpaminagny zany de haringana tanteraka tsy ho aketo amin'ôla."24Eny, ary reo mpaminagny daôly nanomboka tamin'i Samoela sy reo ze tonga tafarany, de nitare sy nagnambara reo andro reo. 25Anareono zanak'reo mpaminagny sy ny fanekena ze nataon'Andriamanitra tam'reo razambe, araka ny nolazainy tamin'i Abrahama hoe: "Akao amin'ny taranakao no hotahiana reo fianakavena daôly eran-tany." 26Tafaran'ny nananganan'Andrimanitra ny mpanompony, de nandefa an'azy ho anareo alô izy, mba hitahy anareo amin'ny fialanareo amin'ny faratsianareo.
Chapter 4

1Raha nikoragna tam'reo vahôka i Petera sy Jaona, de tonga reo mpisorogna sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary reo Sadoseo. 2Sosy mafy zareo noho i Petera sy Jaona nampianatra ny vahôka sy nitory ny fitsanganana amin'ny maty tamin'ny alalan'i Jesosy. 3Nosamborina zareo ary natao taigny am-ponja mandrapatongan'ny ampolakeka, satria efa hariva ny andro tam'zany. 4Kanefa betsaka tam'reo ôla ze nandregny ny hafatra no nino; ary ny isan'reo leila ze nino de dimy arivo teo ho eo.5Ary nony amaraignan'igny de niangona tao Jerosalema ny mpanapak'zareo, zokiolona ary reo mpanora-dalàna. 6Teo i Anasy mpisoronabe, Kaiafa, Jaona sy Aleksandro sy ze daôly havan'reo mpisoronabe. 7Nony naroso takeo ampovôny i Petera sy jaona, de nagnontany an-jareo hoe: "Amin'ny hery ino, na amin'ny anaran'ino, no nagnanôvanareo zany?"8Avekeo i Petera, feno ny Fanahy Masina, de nitare an-jareo hoe: "Anao ry mpanapaka ny vahôka, sy lôholona, 9raha nagnontanena momban'ny asa soa nataonay tamin'io leila narary io zahay tamin'io andro io - tamin'ny fomba nanakpory no nahasitrana io leila io? 10De ôka ho fantatrareo daôly ary ry vahôkan'Israely daôly, fa tamin'ny agnaran'i Jesosy Kristy avy aigny Nazareta, ze nohombonareo, le natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty - tamin'ny alalany no itsanganan'ty leila ty salama aketo amasonareo."11Jesosy Kristy de vato ze nataonareo mpagnorin-tragnotsinontsinona kanefa efa natao ho lohan'ny vato fehizoro. 12Ary tsisy famonjena avy amin'ny hafa, fa tsisy agnarana hafa ambanin'ny lagnitra namen'ny ôla ze tsy maintsy hahavonjy antsikana."13Ary rafa nahita ny fasahian'i Petera sy Jaona zareo, ary nahatsapa fa ôlon-tsotra, ôla tsy nandia fianarana, de gaga zareo, nafantatra fa niaraka tamin'i Jesosy i Petera sy Jaona. 14Satria zareo natazagna le leila ze sitrana nitsangana niaraka tamin-jareo, ka tsy nahita lazaina hanoherana zany zareo.15Fa rafa avy nandidy reo Apostoly handao ny fivorian'ny filan-kevitra zareo, de nifampiresaka zareo. 16Ozy zareo hoe: "Ino no tokony ho atao am'reto leila reto? Noho ny fagagana vita tamin'ny alalan-jareo de fantatr'reo ôla daôly mipetraka aketo Jerosalema, ary tsy azontsika lavina. 17Fa mbô tsy hiparitahan'zany amin'ny vahôka kosa, de ndao tsikana hampitandrina an-jareo mbô tsy hitenenan-jareo zany agnarana zany tsony. 18Nantsoviny hiditra i Petera sy Jaona ary notenenin-jareo tsy hitare sy tsy hampianatra amin'ny agnaran'i Jesosy tsony.19Kanefa namaly an-jareo kosa i Petera sy Jaona nitare hoe: "Raha marina akeo amason'Andriamanitra ny manaiky an'nareo mihôtra an'Azy, de anareo no mitsara. 20Tsy afaka ny hijanona tsy hitare momba reo ra hitanay sy renay zahay."21Tafaran'ny fampitandremana an'i Petera sy Jaona, de navelany nande zareo. Fa tsy nahita fomba hanasazina an-jareo zareo, satria nidera an'Andriamanitra reo vahôka noho ny zava-bitany. 22Le leila ze niaigna ny fagagana sy fagnasitranana de nihôtra ny efapolo taona.23Tafaran'ny nanafahana an-jareo, de tonga takeo amin'ny vahôkany i Petera sy Jaona ary notateriny an-jareo ze daôly notenenin'reo lôhan'ny mpisorogna sy reo lôholona tamin-jareo. 24Rafa regnin-jareo zany, de niara-nanandratra ny feon-jareo ho an'Andriamanitra zareo ka nitareo hoe: "Tompo, Anao no nagnano ny lagnitra sy ny tany sy ny ranomasina, ary ze daôly akao aminy. 25Nitare tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina tamin'ny vavan'ny mpanomponao, ny raintsika Davida Ianao hoe: 'Nagnino no sosy reo firenena Jentilisa, sy reo ôla mieritreritra ra tsisy dikany?"26Anareo mitare hoe: Reo mpanjakan'ny tany de nitambatra, ary reo mpanapaka de nivondrogna hanohitra ny Tompo, sy hagnohitra ny Tompo, sy hagnohitra ny Kristiny.'27F'efa i Heroda sy Pontsy Pilaty, ze niaraka tam'reo jentilisa sy reo vahôkan'Israely, no niara-niangona takao an-tanàna hanohitra an'i Jesosy mpanomponareo, ze nohosoranareo. 28Niara-nivory zareo mbô hagnano ze daôly nataon'ny tananareo sy reo drafitrareo ze efa notapahin-jareo ho atao melô.29Am'zao, Tompo, jereo reo fampitandreman-jareo ary omeo reo mpanomponao mbô hitenenany ny teninao an-kasahiana tanteraka. 30Ahinjiro ny tananao mbô hagnasitrana, ary hagnomereo famantarana sy fagagana amin'ny alalan'ny agnaran'i Jesosy mpanomponao masina." 31Rafa avy nivavaka zareo, de nihozongozona ny tôrana ze niarahan-jareo nivory, ary feno ny Fanahy Masina izy daôly ary nilaza ny tenin'Andriamanitra an-kasahiana.32Ny ankabeazan'reo ze nino de fo sy fagnahy raika. Tsisy nitareo fa ny ra ze azony de an'azy manokana, fa ra niarahan-jareo managna. 33Niaraka tamin'ny hery lehibe no nagnambaran'ny Apostoly ny fijoroan-jareo vavolombelona momba ny fitsanganan'i Jesosy Tompo tamin'ny maty, ary fahasoavana gedabe no takeo amin'izy daôly.34Tsisy ôla nanan-java maha-ory takeo amin-jareo, fe ze daôly nanagna tany na tragno de nivarotra ary nitondra ny volan'ny ra daôly ze lafo. 35Ary napetraka takeo an-tongotr'reo Apostoly, ary nozaraina tamn'ôla tsiraikaraika arak'ze ilain-jareo.36Josefa, Levita raika, leila avy akaigny Sipra ze nantsovin'reo Apostoly hoe Barnabasy (ze midika hoe zanaka lahin'ny fampaherezana), 37nivarotra tany sy nitondra vola ary nametraka an'zany teo an-tongotr'reo Apostoly.

Chapter 5

1Fa nisy leila raika antsovina hoe: Ananiasy niaraka niaraka tamin'i Safira, nivarotra anjara tany, 2ary nasitrigny ny sasagny tam'reo volo vidiny (ny vadiny ihany kô de nahay an'zany), ary nitondra ny ampahany tam'zany ary nametraka azy teo an-tongotr'reo apostoly.3Fa Petera niteny hoe: "Ananiasy, nagnino no Satana no nameno lainga ny fonao ka nandainga amin'ny Fanahy Masina, ka nanitrika ny ampahany tam'le vidin-tany? 4Raha mbola tsy lafo zany, tsy nijanona ho fanagnana manokana ma zany, rafa lafo zany ka tsy ze tenao agnanôvana an'azy? Manakôry ny nieritreretanao an'zany ra zany tao am-ponao? Tsy nandainga tamin'ôla enao, fa tamin'Andriamanitr. 5Nony nareigny an'reo teny reo, de lavo tamin'ny tany Ananiasy ka afaka ny aignany, ary tahotra mafy no tonga tam'ze daôly nareigny an'zany. 6Ary niditra reo gaogna ka mamogny lamba an'azy, ka nentin-jareo nivôka izy ary nalevigna.7Adin'ny telo teo eo tafaran'zay, de niditra ny vadiny, mbola tsy nafatatra ze ra nitranga.8 Petera niteny tam'azy hoe: "Lazao anà raha zany no nandafosanareo an'le tany." De ozy izy: enika izay ihany ."9Avy teo Petera niteny an'azy hoe: "Nagnino anareo no nagneky hiara-hitsapa ny Fagnan'ny Tompo? Io reo ny tongotr'reo ôla ze nandevigna ny vadinao de akeo am-baravaragna, ary hamôka an'nao zareo. 10ary lavo teo amin'ny tongony izy ary afaka ny aignany. Rafa niditra tao reo gaogna de nahita an'azy maty, ka nitondra an'azy nivoka sy nandevigna an'azy teo agnilan'ny vadiny.11 Natatra mafy ny fengonana manontolo sy reo ze nareigny an'zany ra zany.12Famatarana ny Fagagana maro no nibôgna tam'reo vahôka tamin'ny alalan'reo apostoly. Niaraka teo amin'ny fialofan'i Salomona zareo. 13Fa tsisy ôla hafa nagnana fasahina hiaraka amin'jareo, kanefa ny vahôka de nanandratra fankasitran feno an'jareo.14Ary vao maika niha-betsaka reo mpino ze nagnampy isa ny Tompo, andian-deila sy vevavy. 15Ka nentin'jareo taigny an-dalana hatramin'ny marary ka nampandren-jareo teo fandrena sy farafara, ka rafa mba mandalo Petera, de mety mba hagnaloka ny sasagny am'jareo ny talinjogny. 16Teo ihany kô de maro ny vahôka no niara-tonga avy am'reo tanàna magnodidigna an'i Jerosalema, nitondra ny marary sy reo ze nampijalen'ny fagna maloto, ary de sitrana izy daôly.17Fa nitsangana ny mpisorogna be, sy reo ze niaraka tamin'azy ( ze antokon'reo Sadoseo); ary de feno felonana zareo 18ary nisambotra an-keriny reo apostoly, ary nampiditra an'azy reo tao an-dragnomaizigna.19Ary nakeka andro de nisy anjelin'ny Tompo nanokatra ny varavaran'ny tragno maizigna ary namôka an-jareo tao sy niteny hoe: 20Mandiana, mitsangana akao amin'ny Tempoly ary mitarava amin'reo ôla ny teny am'ty fiaignana ty. 21Rafa nareigny an'zany zareo, de nidritra tao amin'ny tempoly zareo ra vô keka ny andro ka nampianatra. Fa tonga ny mpisorogna be, sy reo ze niaraka tamin'azy, namory reo fitsarana daôly, reo loholon'reo vahôkan'Israely, ary nalefa tao an-dragno maizigna mba hamôaka reo apostoly.22Fa nony tonga le mpiambina de tsy natazagna an'azy reo tao am-ponja, ka niverigna zareo ary niteny hoe: 23"Natazagna ny fonja mihidy tsara zahay ary ny mpiambina de mitsangana miambina teo am-baravaragna, fa rafa nosokafinay zany, de tsy nahita ôla tao agnatiny zahay."24Ary rafa nareigny an'zany ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy reo mpisorogna be, de very hevitra tanteraka zareo nakasika ny ra mety hitranga. 25Fa nisy ôla tonga ary niteny tamin'jareo nagnano hoe: "Reo leila ze nataonareo tao an-trano maizina de mitsangana akao amin'ny tempoly ary mampianatra ny vahôka."26Ary lasana ny leibein'ny mpiambina niaraka tamin'ireo mpiambina, ary nitondra an'azy reo niverigna, tamim-pilaminana, satria natatra ny vahôka zareo saode torany vato.27 Rafa nitaondra an'azy reo zareo, de nandefa an'azy reo teo agnatrehan'ny fitsarana. Nagnadihady an'azy reo ny mpisorogna be, 28niteny hoe: Noferanay mafy anareo mba tsy hampianatra an'io agnarana io, kanefa nofenonareo ny fampianaranareo i Jerosalema, ary tenareo ho tompon'andraikitra amin'ny ràn'io leila io zahay."29Fa i Petera sy reo apostoly namaly hoe: "Zahay de tokony hagneky an'Andriamanitra non'ny ôla. 30Ny Andriamanitrin'ny razagnay nanangana an'i jesosy, ze novonoinareo tamin'ny fagnantognana an'Azy teo amin'ny kakazo.31 Andriamanitra nanandratra an'Azy teo amin'ny tagnana an-kavanana mba ho Tompo sy Mpamonjy, mba hagnome fibebana ho an'Israely, sy famelan-keloka. 32Zahay de vavolombelona ny amin'zany ra zany, ary kô ny Fanahy Masina, ze namen'Andriamanitra ho an'ireo magneky an'Azy."33Raha nareigny zany reo tao amin'ny fitsarana de sosy zareo ary nitady hamono reo apostoly. 34Fa nisy Fariseo raika atao hoe: Gamaliela, mpampianatra lalàna, ze najain'ny ôla daôly, nitsangana ary nagnome baiko mba havôka kely aigny avelagny reo apostoly.35Ary izy niteny tam-jareo hoe: "Leila Israely, tamdremo tsara ny amin'ny ra ze atanonareo miaraka am'reo ôla reo. 36Fa taigny alôha taigny. Teodasy nilaza ny tegnany ho ra, ary vondron'ôla, tokony ho efa-jato, nagnaraka an'azy. Novonoina izy, ary reo ze nagneky an'azy de niparitaka ary tonga tsinontinona.37 Avy teo io leila io, Jodasy avy aigny Galilia de nitsangana tamin'ny andron'ny fagnisana ary nitôna ôla betsaka hagnaraka an'azy. Izy ihay kô de novonona ary reo ze nagneky an'azy de niparitaka.38Ary am'zao de lazaiko aminareo, magnalavira an'reo leila reo ary avelao zareo fa raha avy amin'ôla io drafitra na io asa io, de ho fôgna zany. 39Fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, de tsy ho azonareo foagnana zany ary ho avy aminareo fa miady amin'Andriamanitra nareo." De resy lahatra zareo.40Ary nagnantso an'reo apostoly hiditra zareo ary nikaroka ny nandidy an'azy reo tsy hiteny amin'ny agnaran'i Jesosy, ary namela an'azy reo hande. 41Izy reo de nandao ny fitsarana ampifaliana satria mendrika hitondra fafam-baraka ho an'le agnarana. 42Tafaran'zay zareo, de tsy nijanona nampiantra sy nitory an'i Jesosy Kristy isan'andro, teo ankianjan'ny tempoly sy tamin'ny toka-tragno maro.
Chapter 6

1Ary tam'zany andro zany, rafa nenitombo ny isan'reo mpianatra, de nanomboka nisy fitaraignana tam'reo Jiosy miteny Grika hanoherana an'reo Hebreo, satria tanaon-jareo tsisy dikany reo mpitondra-tegnany tamin'ny fizarana ahanina isan'andro2Ny tombefolo de nagnantso an'reo mpianatra daôly ho aigny amin-jareo sady nitare hoe: "Tsy mety ho antsika raha mandôsa ny tenin'Andriamanitra mbô hikarakara reo latabatra. 3Noho zany anareo de tokony mifidy, ry ralà, fito aminareo, leila tsara laza, feno ny Fanahy sy fahendrena, mbô ho tendrenay hikarakara an'zany raharaha zany. 4Raha ny aminay, de hanohy hatraigny amin'ny fivavahana sy amin'ny fampenarana ny teny zahay."5Nahafinaritra ny ôla daôly ny teny nataon-jareo. Ka nifidy an'i Stefana zareo, leila feno finoana sy Fanahy Masina, ary i Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena ary Nikoleo, proselyta avy aigny Antiokia. 6Reo mpino de nitondra an'reo leila takeo agnatrehan'ny Apostoly, ze nivavaka sy nametraka ny tagnan-jareo.7Ka niparitaka hatraigny ny tenin'Andriamanitra, ary ny isan'ny mpianatra takao Jerosalema de nenitombo be, ary mpisorona betsaka be kosa no lasa mpankatoa ny finoana.8Ary stefana, feno fahasoavana sy hery, de nagnano fahagagana sy famantarana lehibe takeo amin'ny vahôka. 9Fa nisy vahôka sasagny nitsangana ze an'ny synagoga ze atao hoe ny Synagogan'ny Libertina, sy an'ny Kyreniana sy Aeksandriana, ary ny sasagny avy aigny Kilikia sy Azia. Reo ôla reo de niady hevitra tamin'i Stefana.10zareo de tsy natohitra ny fahendrena sy ny Fanahy ze nitinenan'i Stefana. 11Avekeo de nisy ôla nagnanôvan-jareo kolikoly mbô hitare hoe: "Efa regninay i Stefana niteny ratsy momban'i Mosesy sy Andriamanitra."12Nanaitra ny ôla zareo, ny lôhôla, sy ny mpanora-dalàna, de nankeo amin'i Stefana zareo ary nisambotra an'azy sy nitondra an'azy takeo agnatrehan'reo mpagnolotsaigna. 13Ary zareo de nitondra fijoroana vavolombelona diso, de nitare hoe: "Ity leila ito de tsy mitsahatra miteny ratsy ty fitôragna masina ty sy ny lalàna. 14Fa zahay de naregny an'azy nitare fa io Jesosy avy aigny Nazareta io de handrava ty tôrana ty sy hagnôva reo fomba ze natolotr'i Mosesy an-tsikana." 15Reo daôly ze nipetraka takeo amin'ny tôran'ny mpagnolotsaigna de nandinika an'azy ka natazagna fa salan'ny anjely ny tarehiny.
Chapter 7

1Ny mpisoronabe nitare hoe: "Marina ma zany daôly zany?" 2Stefana nitare hoe: "Ry rahalà sy ry ray, henoy za: 'Ny Andriamanitrin'ny voninahitra nibôgna tamin'ny raintsika Abrahama tam'izy taigny Mesopotamia, talôn'ny nipetrany takao Harana; 3nitare taminazy Izy hoe: "Melà eo amin'ny taninao enao sy reo havanao, ary mandana aigny am'le tany ze abôgnako an'nao."4Avy teo niala an'le tanin'ny Kaldeana izy ary nipetra taigny Harana; nanomboka teo, tafaran'ny nafatesan'ny rainy, nentin'Andriamanitra taigny am'io tany io izy, ze hipetrahanao zao. 5Tsy nameny ho lova takeo izy, tsia, tsy ampy hametrana tongotra avy. Fa nagnome toky izy na de mbola tsy nanan-janaka aza i Abrahama fa izy de hagnome ny tany ho an'azy ho fanagnany sy ho an'reo taranagny aigny afara.6Andriamanitra de nikoragna taminazy salan'zao, fa reo taranany de hipetraka maharitra aigny amin'ny tanin'ny firenen-kafa, ary reo mponina akao de hitondra an'azy reo amin'ny fanandevozana sy fampahorena mandritry ny efa-jato taona. 7Nefa ho tsaraiko ny firenena ze tompon'jareo, ozy Andriamanitra 'ary afaran'zany de hagnantogna sy hidera Anà akeo am'io tôrana io zareo. 8Avy akeo namen'Andriamanitra an'i Abrahama ny fanekena amin'ny famorana, ka i Abrahama de lasa rain'Isaka ary namora an'azy tamin'ny andro fahavolo; Isaka de lasa rain'i Jakoba, ary Jakoba lasa rain'reo patriarika roa ambefolo.9Satria reo patriarika de nialona an'i Josefa ka namidin'jareo taigny Egypta izy; fa Andriamanitra de niaraka taminazy 10ary namonjy an'azy tam'reo olagny daôly. I Josefa de nomeny fankasitrana sy fahendrena teo agnatrehan'i Farao, mpanjakan'Egypta, ze nametraka an'azy ho governora manapaka an'Egypta sy ambonin'reo fanagnany daôly.11Ary de tonga ny silaona an'Egypta sy Kanana, sy fijalena leibe, ary reo razantsika de tsy nahita sakafo. 12Fa rafa nareigny i Jakaba fa nisy vary takao Egypta, nandefa reo razantsika tamin'ny den'jareo vôlôny izy.13 Tamin'ny den'jareo faroa i Josefa nampahafantatra ny tegnany tam'reo rahalany, ary ny fianakavian'i Josefa de lasa fantatr'i Farao.14Josefa de naniraka reo rahalany hiteny an'i jakoba rainy mba hoavy aigny Egypta, miaraka am'reo havany daôly, teo amin'ny dimy ambin'ny fitopolo ôla raha atambatra. 15No zany Jakoba de nidina takao Egypta, ary maty izy, izy sy reo razantsika. 16Nolajaina ho aigny Sekema izy reo ary nalevina takao am'le fasagna ze novidin'i Abrahama tamin'ny volafotsy tam'reo zanak'i Hamora taigny Sekema.17Rafa nagnakeky ny fotônan'le fampagnantenana, le fampagnantenana ze nataon'Andriamanitra tam'i Abrahama, de nihabetsaka sy nitombo ny ôla takao Egypta,18 mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa takao Egypta, mpanjaka ze tsy nafantatra ny momba an'i Josefa. 19Io mpanjaka io ihany no namitaka ny vahôkantsika sy nampahory reo razantsika, zareo de nanery ny razantsika handao reo zanagny ambava loza mba tsy ho velona.20Tam-zany fotôgna zany i Mosesy no teraka; izy de tsara takeo agnatrehan'Andriamanitra ary notazaina telo volana takao an-dragnon'ny Rainy. 21Rafa navôka teigny abelagny izy, de ny zanaka vavin'i Farao no nanangana sy nitaiza an'azy salan'ny zanagny là.22I Mosesy de nampenarina reo fahendrena daôly nanagnan'ny Egyptiana, ary izy de nahery tamin'ny teniny sy ny asany. 23Ka rafa ho efapolo taona izy, tonga takao am-pony ny hitsidika reo rahalany, zanak'Israely.24 Nahita israelita raika ze nampahoriana ka niaro an'azy i Mosesy sady namaly an'le ze nampahory an'azy tamin'ny famonona le Egyptianina: 25Nihevitra izy fa ho azon'reo rahalany fa tamin'ny alalan'ny tagnany Andriamanitra no nagnavotra an'azy reo, nefa de tsy azon'jareo izany.26Ny andro manaraka de tonga takao am'reo Israelita sasagny izy raha zareo nifamaly; nanadrana ny nampitony ny tsiraikaraika avy izy, niteny hoe: "Ry leilà, anareo de mpirahalà, magnino anareo no mifandratra?" 27Fa ny raika ze nagnano tsy nety tamin'ny namany nandrisika an'azy, ary niteny hoe: "Iza no nanendry anao ho mpanapaka sy hitsara anay? 28Tenao ma ny hamono anà, salan'ny namonoanao reo Egyptianina omaly?"29Nilefa i Mosesy rafa nareigny zany; lasa mpiavy izy takao amin'ny tanin'ny Midiana, ze niterahany ny zanagny roa lahy. 30Rafa dila ny efapolo taona, nisy anjely raika nibôgna taminazy taigny agn'efitra taigny amin'ny tanetin'ny Sinay, takeo amin'ny lelafon'le voaroy niretra.31Rafa tazagn'i Mosesy le afo, magnana izy tam'le fahitana; ary rafa nagnantogna izy ka nijery an'je izy, indro avy aigny nisy feon'ny Tompo niteny hoe: 32"Za no Andriamanitr'reo razanao, Andriamanitr'Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba." Nangitakitaka i Mosesy ary tsy nasà nijery.33Ny Tompo niteny taminazy hoe: "Alao ny kapa am'tongotrao, fa io tôrana ze hitsangananao io de tany masina. 34Efa hitako tokôtrany ny fijalen'ny vahôkako ze akao Egypta, hegniko ny fitaraignan'jareo, ary efa nidingna nagnavotra an'azy reo Za; ka am-zao, alefako ho aigny Egypta enao."35Io le Mosesy ze nolavin'jareo, rafa niteny izy reo hoe: "Iza no nanendry an'nao ho mpanapaka sy ho mpitsara?" Izy le tokana ze nalefan'Andriamanitra sady ho mpanapaka no mpagnavotra. Andriamanitra nandefa an'azy tamin'ny alalan'le anjely ze nibôgna tam'i Mosesy teo am'vôroy. 36Nitarika an'jareo hiala tao Egypta i Mosesy, rafa avy nagnano fagagana sy famantarana tao Egypta sy taigny am'ranomasina mena, ary taigny an'efitrra nandritry ny efapolo taona. 37Io iany le Mosesy ze niteny tam'vahôkan'Israely hoe: "Andriamanitra de hanangana mpaminagny ho an'nareo aketo am'rahalanareo, mpaminagny sala anà."38Izy le leilà ze tao am-pengonana tao an'efitra niaraka tam'le anjely ze niteny taminazy taigny am'tanetin'i Sinay. Izy le leilà niaraka tam'reo razantsika; izy le leilà ze nandramby ny teny velona zaraina ho an'ntsika. 39Izy le leila ze tsy nakatoavin'reo razantsika; natosik'izy reo lavita an'jareo, ary aigny ampon'jareo de niverigna taigny Egypta izy reo. 40Tam'io fotôgna io niteny tam'i Arona izy reo hoe: "Hagnanôvo Andriamanitra zahay hitarika an'nay, ôtran'i Mosesy, ze nitarika antsika hivôka an'ny Egypta, tsy fantatsika ze nitranga taminy?"41Ary nagnano aomby là kely izy reo tam-zany andro zany ary nitondra fagnatitra takeo am'le sampy, ary nifaly tamin'ny asan-tagnany zareo. 42Nitodika Andriamanitra ary namela an'jareo mba ho fiderana reo kintana aigny an-dagnitra, araka ny vôsoratra takao amin'ny bokin'ny mpaminagny: "Anareo ma nanolotra anà biby maty sy fagnatitra nandritrin'ny efapolo taona takao an'efitra, tranon'ny Israely?43Nekenareo ny taberanakelin'i Mosesy se ny kintan'andriamanitra Refana, sy reo sary ze ataonareo hiderana an'azy, ary za hitondra an'nareo aigny ankotran'Babylona."44Reo razantsika de nanana tabernakelin'ny fijoroana vavolombelona takao an'efitra, araka ny baikon'Andriamanitra rafa niteny tam'i Mosesy Izy, ze tokony natôgny nitovy tam'le fomba efa hitany. 45Io le tranolay ze nalain'reo razantsika, ary nindesiny takao am'le tany niaraka tam'i Josoa, takeo agnatrehan'reo razantsika, reo fagnan'ny firenena ze nandroasan'Andriamanitra ny tany ze noraisin'jareo ho fagnanan'jareo manôkana, le tranolay de nijanona takao am'le tany nandrity ny andron'i Davida, 46ary izy nahazo fankasitrahana tao amin'ny fahitan'Andriamanitra ary nagnotany raha hahita tôrana hipetrahana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.47Fa i Salomona no nanambôtra ny trano ho an'Andriamanitra. 48Na zany aza, ny Avo indrindra de tsy nipetraka takao am'trano vita tamin'ny tanana, araka ny vôlazan'ny mpaminagny hoe: 49"Ny lagnita no seza fendrianako, ary ny tany no fitôran-tongotro. Tragno sala ino no afaka haboarinao ho anà? ozy ny Tompo, na tôrana ôtran'ny ino no hitsaharako? 50Tsy tagnako ma no nagnano reo ra daôly reo?51Reo ôla mafy hatoka sy tsy vôfora akao am-po sy sofigna, anareo de manohitra fôgna ny Fanahy Masina; anareo de magnano salan'ze nataon'ny razanareo. 52Iza tam'reo razanareo no tsy nanenjika mpaminagny? Novonoin'jareo ny mpaminagny ze nibôgna talohan'ny fevin'le Fahamarinana, ary am-zao nareo de lasa mpamadika sy mpamono an'azy kô, 53anareo vahôka ze nandray ny lalàna ze napetrak'reo anjely, kanefa tsy notazominareo zany."54Ary rafa nareigny reo ra reo ny mpikambana akao amin'ny filan-kevita, votona ny fon'jareo, ary nihidy vazagna zareo tam'Stefana. 55Fa izy feno Fanahy Masina, nijery tsara ny lagnitra ary nahita ny voninahitr'Andriamanitra, ary nahita an'i Jesosy nitsagana tao ankavanan'Andriamanitra. 56Stefana niteny hoe: "Tazano, itako misokatra reo lagnitra, ary ny zanak'ôla mitsangana akeo ankavanan'Andriamanitra."57Takeo am-zany de notapenan'reo mpikambana akao am'filan-kevitra ny sofin'jareo, ary nikika niaraka tam'feo ambony, nihazakazaka izy reo nakeigny aminy.58 Notaritin'jareo ambelagn'tanàna izy ary nanomboka nitora-bato an'azy izy reo, ary reo vavolombelona de nametraka ny akanjony teo am'tongotr'le zaza là nantsovina hoe Saoly.59Raha nitora-bato an'i Stefana iny izy reo, niantso mafy ny Tompo izy ary niteny hoe: "Tompo Jesosy, raiso ny fagnahiko."60 Nendohalika izy ary niantso tam'feo mahery hoe: "Tompo, aza tazomina zao ota zao hanoherana an'azy reo." Rafa niteny zany izy de rendriky ny toromaso.
Chapter 8

1Nagneky ny fahafatesany i Saoly. Ka nanomboka ny fagnenjena tamin'io andro io ze hanoherana ny fiangonana takao Jerosalema; ary reo mpino de niparitaka nagnerana reo faritry Jodia sy Samaria, ankôtr'ireo apostoly. 2Reo leila matatra an'Andriamanitra de nandevigna an'i Stefana ary nagnano hira fisaonana an'azy. 3Fa Saoly de nandratra tanteraka ny fiangonana, nitety tragno izy ary naka reo leila sy reo vevavy, ary nandefa an'azy taigny an-tragno maizigna.4Fa reo mpino ze niparitaka de nande nitory ny teny. 5Filipo de nidigna taigny amin'ny tanàn-deiben'ny Samaria ary nitory an'i Kristy tamin-jareo.6Rafa nareigny sy natazagna reo famantarana ze nataon'i Filipo ny vahôka maro, de nifantoka tsara tam'ze nolazainy zareo. 7Reo fagna maloto de nivôka tamin'reo maro ze nidirany, ka nihaikaika mafy, ary maro tamin'reo malemy sy kilemaina no sitragna. 8Noho zany de nisy fifalena leibe takao am'le tanàna-deibe.9Fa nisy leila raika nantsovina hoe: Simona tao amin'ny tanàn-deibe, ze vao avy nilalao aodiny; tegna nampitolagaga reo mponin'i Samaria izy, rafa nagnambara izy fa ôla manan-danja. 10Ireo Samaritana daôly, manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny leibe indrindra, de nareigny tsara an'azy ary ozy zareo hoe: "Io leila io no le fahefan'Andriamanitra ze antsovina hoe: Leibe." 11Zareo de nitaino an'azy, satria izy de nampitolagaga an'azy reo nandrity ny fotôna ela tamin'reo aodiny.12Fa rafa nino an'i Filipo zareo noho izy nitory ny filazantsara momba ny fanjakan'Andriamanitra sy ny agnaran'i Jesosy Kristy, de natao batisa zareo na reo leila na reo vevavy. 13Na i Simona aza de mba nino, ary tafaran'ny nagnanôvana batisa an'azy de nijanona niaraka tamin'i Filipo fôgna izy. Rafa natazagna reo famantarana sy asa leibe niseho izy de gaga.14Ary rafa reignin'ny Apostoly tao Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra Samaria, de nalefan-jareo taigny amin-jareo i Petera sy Jaona. 15Rafa nidigna zareo de nivavaka ho an'azy reo, mba handraisan-jareo ny Fanahy Masina. 16Fa nandrapatongan'zany fotôna zany, de mbola tsisy nilatsahan'ny Fanahy Masina miitsy zareo, fa efa vita batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy. 17Avy teo, Petera sy Jaona de nametrakany tagnany teo amin-jareo ary de nandray ny Fanahy Masina zareo.18Ary tazagn'i simona fa ny Fanahy Masina de noraisina takeo antagnan'ny apostoly tamin'ny alalan'ny fametran-tagnana, de nameny vola zareo. 19Ozy izy hoe: "Ameo anà ihany kô zao fahefana zao, ka am'zay ze daôly ametrahako tagnana de mba handray ny Fanahy Masina."20Fa ozy i Petera tamin'azy hoe: "Ho levona miaraka aminao ane ny volafotsinao, satria eritreretinao fa azo vidim-bola ny fagnomezan'Andriamanitra.21 Tsy managna anjara na ampahany amin'zany ra zany enao, satria ny fonao de tsy marina amin'Andriamanitra.22 Noho zany mibebaha amin'ny faharatsenao ary mivavaha amin'Tompo, sao mba mety hamela ny fagnirin'ny fonao Izy. 23Fa za de matazagna fa vôpoizin'ny lolompo sy vôfatotry ny fahotana enao?24Simona namaly ka niteny hoe: "Mivavaha amin'ny Tompo ho anà, mba tsy hitranga aminà reo ze nolazainao."25Rafa nijoro vavolombelona sy nagnambara ny tenin'ny Tompo zareo, de niverigna taigny Jerosalema i Petera sy Jaona, nitory ny filazantsara tamin'reo tanàna maro takao Samaria.26Ary nisy anjelin'ny Tompo nikôragna tamin'i Filipo sady nitare hoe: 'Mitsangàna ary mandeana magnatsimo amin'ny lalana midigna avy aigny Jerosalema mankaigny Gaza." (Io lalana io de aigny agnefitra.) 27De nitsangana izy rary nande. Ndreo, fa nisy leila avy aigny Etiopia, tandapan'ny Kandasy, mpanjakavavan'reo Etiopiana. Izy no nitantana ny harenany daôly. Tonga taigny Jerosalema izy mba hidera. 28Ary nody izy ka nipetraka takeo amin'ny Kalesany, ary namaky ny bokin'Isaia mpaminagny.29Ary le fagna nitare tam'i Filipo hoe: Mandeana magnakeky io Kalesy io." 30Ka de niazakazaka nagnantonga an'azy izy, ary nareigny an'azy namaky ny teny takao amin'i Isaia mpaminagny, ary nitare hoe: "Azonao ma io vakinao io?" 31Nitare le Etopiana nagnao hoe: "Manakory no hahafantarako, raha tsisy ôla magnatoro anà?" Nengavy an'i Filipo izy mba hagnatogna ny Kalesa ary hiantotra hiaraka amin'azy.32Ary ny andalan-tsoratra masina ze novakin'le Etiopiana de nagnano hoe: Nentina novonoina ôtran'ny ondry izy, ary ôtran'ny zanak'ondry izy. 33Fa tamin'ny fangalam-baraka an'azy de nalana tamin'azy ny rariny. Iza no afaka hamaritra tanteraka reo taranagny?34Noho zany de nagnotany an'i le tandapa i Filipo, nagnano hoe: "Mitalaho aminao za, iza no koragnin'io mpaminagny io, ny tegnany ma se olon-kafa? 35Nanomboka nitare i Filipo, ary nanomboka tam'zany soratra masina izany de nitoriany ny filazantsar momba an'i Jesosy tamin'azy.36Rafa nande taigny an-dalana zareo, de nagnatogna taigny am'ze nisy rano zareoary ozy le tandapa hoe: Iry misy rano. Ino no mahasakana anà tsy atao batisa?" 37(Fagnamarihana: Ozy Filipo hoe: "Raha mino amin'ny fonao manontolo anao, de azo atao batisa." Le Etiopiana namaly hoe: "Za mino fa Jesosy Kristy no Zanak'Andriamanitra.") 38Ka nasain'i le Etiopiana najanona le kalesa. Nidigna nankaigny amin'ny rano zareo, de Filipo sy le tantapa, ary le nataon'i Filipo batisa izy.39Rafa nivôka ny rano izy reo, de nentin'ny Fagnahin'ny Tompo i Filipo, ka de tsy hitan'i le Tandapa izy, fa nande tami-pifalena taigny amin'ny lalany. 40Fa Filipo de nibôgna taigny Azoto ary nitety io faritra io izy, ka nitory ny filazantsara eraky ny tanan-deibe mandrapahatongany taigny Kaisaria.
Chapter 9

1Fa i Saoly, de mbola nagnano fandrahognana fôgna iôny fa na hatramin'ny famonona anoherana reo mpianatry ny Tompo aza, nande taigny amin'ny mpisoronabe 2ary nangataka tamin-jareo taratasy ho an'reo synagoga takao Damaskosy, ka raha mahita n'iza n'iza akeo amin'ny lalany izy, na leila na vevavy, de entiny hifatotra akaigny Jerosalema zareo.3Raha mbôla nande izy, de zao no nitranga rafa tonga takeo ankekin'i Damaskosy izy, tampoka teo de nisy hazavana namirapiratra nagnodidina an'azy avy aigny an-dagnitra; 4ary nidaraboka tamin'ny tany izy ka nandregny feo nitare tamin'azy hoe: "Saoly, Saoly, magnino ma anao no magnenjika Anà?"5Saoly namaly hoe: "Iza ma Anao, Tompo?" Ozy ny Tompo: 6"Za no Jesosy ze kinjehinao, fa mitsangàna, midira akao amin'ny tanàna, ary ho lazaina aminao ze tsy maintsy ho ataonao." 7Ny leila ze niara-de tamin'i Saoly de nitsangana tsy nahavôlagna, nandregny ny feo, fa tsy nahita an'iza n'iza.8Nitsangana avy tamin'ny tany i Saoly, ary rafa nanokatra ny masony izy, de tsy afaka natazagna na ino na ino izy; la notantanan-jareo tamin'ny tagnany izy ary nentina taigny Damaskosy. 9Tsy natazagna izy nandritry ny telo andro, ary tsy nihinana izy no sady tsy nisotro.10Ary nisy mpianatra takao Damaskosy antsovina hoe Ananiasy. Nitare tamin'azy tamin'ny fahitana ny Tompo: "Ananiasy!" Ozy izy: "Indro, ty za, Tompo." 11Nitare tamin'azy ny Tompo: "Mitsangàna, ary mandiana aigny amin'ny lalana ze antsovina hoe Mahitsy, ary rafa akao an-tragnon'i Jodasy de mangatà am'le leila avy aigny Tarsosy antsovina hoe Saoly, fa mivavaka izy. 12Efa nahita tamin'ny fahitana ny fihavian'ny ôla antsovina hoe Ananiasy izy ary hametraka ny tagnany akeo amin'azy, ka mety hatazagna ndre izy."13Fa namaly Ananiasy hoe: "Tompo, efa nandregny tamin'ny maro momba an'io ôla io za, makasika ny ratsy nataony tamin'ny ôla masina tao Jerosalema. 14Nanagna faefana tam'reo lôhan'ny mpisorogna izy mbô hisambotra ze daôly magnantso ny Agnaranao aketo." 15Fa ny Tompo nitare tamin'azy hoe: "Mandiana, fa izy de fitaovana nofidiko, mbô hitondra ny Agnarako akeo agnolôn'ny Jentilisa sy reo mpanjaka ary ny Zanak'Israely; 16fa ho abôgnako an'azy hoe magnakôry ny fijaleny noho ny amin'ny Agnarako."17De lasa i Ananiasy, ary niditra takao amin'ny tragno. Nametraka ny tagnany takeo amin'azy, de nitare izy hoe: "Ralahy Saoly, ny Tompo Jesosy, ze nibôgna taminao taigny an-dalana rafa nankaty anao, no nandefa anà taty mbô mety hahiratanao ary ho feno ny Fanahy Masina." 18Teo no eo de ra ôtran'ny kiran-dapia no niendaka avy hatraigny takeo amin'ny mason'i Saoly, ary nahiratra izy; nitsangana izy ary natao batisa; 19ary nihinana izy ka nahazo hery. Nipetraka niaraka tam'reo mpianatra takao Damaskosy nandritry ny andro maro izy.20Avy hatraigny de nagnambara an'i Jesosy takao amin'ny Synagoga izy, nilaza fa Izy no Zanak'Andriamanitra. 21Ze daôly naregny an'azy de gaga ary nikoragna hoe: "Tsy io ôla io ma no namono reo takaigny Jerosalema ze nagnantso tamin'io Agnarana io? Tonga taketo izy mbô haka an-jareo ho fatorana ho aigny amin'ny mpisorognabe." 22Fa lasana nihanahery i Saoly, ary nampahery ny Jiosy ze nipetraka takao Damaskosy ka nanaporofo fa Jesosy no Kristy.23Tafaran'ny andro maromaro, niara-nagnano drafitra mbô hamono an-jareo ny Jiosy. 24Fa lasana fantatr'i Saoly ny tetik'zareo. Ary niandry ny vavahady magnalin'andro mbô hamono an'azy zareo. 25Fa niaka an'azy tamin'ny alina reo mpianany ary namela an'azy hidigna tamin'ny rindrigna, nampidigna an'azy takao agnaty harogna.26Rafa tonga takeo Jerosalema izy, de nagnandrana ny hagnatona reo mpianatra i Saoly, nefa natatra an'azy daôly reo, tsy nino fa mpianatra izy. 27Fa niaka an'azy i Barnabasy ary nitondra an'azy takeo am'reo Apostoly, ary nilaza tam'reo izy hoe nagnakôry no nahitan'i Saoly ny Tompo taigny an-dalana sy ny nikoragnan'ny Tompo tamin'azy, ary nagnakôry no nitorian'i Saoly am-pasahiana tamin'ny agnaran'i Jesosy takao Damaskosy.28Nihaona tamin-jareo izy rafa niditra ary nivôka an'i Jerosalema. Nitare am-pasahiana tamin'ny agnaran'i Jesosy Tompo izy 29ary niady hevitra niaraka tam'reo Jiosy Grika; nefa mbôla niezaka ny hamono an'azy fôgna zareo. 30Rafa fantatr'reo ralahy zany, de nentin-jareo nidigna taigny Kaisaria izy ary nalefany ho aigny Tarsosy izy.31Ary avekeo, ny fiangonana nanerana an'i Jodia daôly, Galilia, ary Samaria nanagna fiadanana ary vôorina; ary, nande tamin-tatra ny Tompo sy tamin'ny fampiononan'ny Fanahy Masina, ka nitombo isa ny fiangonana. 32De tonga zany am'zao fotôna zao, raha nande nanerana ny faritra manontolo Petera, de nande nidigna taigny am'reo mpino ze nipetraka takao amin'ny tanànan'i Lydia iany kô izy.33Natazagna ôla antsovina hoe Aenasy takao izy, ze efa teo am-pandreny nandritry ny valo taona, satria nalemy izy. 34Petera nitare tamin'azy hoe: "Aenasy, magnasitrana an'nao Jesosy Kristy. Mitsangàna ary amboary ny fandrenao," ary niaraka tam'zany de nitsangana izy. 35Fa ze daôly nipetraka takao Lyda sy tao Sarona de nahita ny leila ka nitodika tamin'ny Tompo zareo.36Ary nisy mpianatra raika antsovina hoe Tabita tao Jopa, ze adika hoe "Dorkasy." Nagnano asa soa betsaka io vevavy io ary nagnano fanampiana feno asa fiantraa ze nataony ho an'ny mahantra. 37Tam'reo andro reo de narary izy ary maty; rafa nanasa an'azy zareo, de napetrak'zareo takao amin'ny efitragny agnambo izy.38Satria efa nanakaiky an'i Lyda i Jopa, ary naregny reo mpianatra fa tao Petera, de nandefa ôla roey taigny amin'azy zareo, nengavy an'azy: "Tongava re akaigny aminay tsisy hatak'andro." 39Nitsangana Petera ary nande niaraka tamin-jareo. Rafa tonga izy, de nitondra an'azy takao amin'ny efitra agnambo zareo, ary ny mpitondrategna daôly nitsangana takeo agnilany nitomagny, nampibôgna an'azy akanjo sy ny lamba ze nataon'i Dorkasy tamin'izy niaraka tamin-jareo.40Nalefan'i Petera taigny avelan'ny efitra izy daôly, nandongalika, ary nivavaka; avekeo, nitodika tam'le razagna, nitare izy hoe: "Tabita, mitsangàna." De nanokatra ny masony izy avekeo, ary nahita an'i Petera izy de niarina. 41Avekeo de nanolo-tagnana an'azy Petera ary nampitsangana an'azy; ary rafa nagnantso an'reo mpino sy reo mpitondrategna izy, de nabôgnany tamin-jareo ny fahavelomany. 42Lasana fatratra nanerana an'i Jopa daôly zany ra zany, ary ôla betsaka no nino ny Tompo. 43Tam'zany Petera de nipetraka andro maromaro niaraka tam'le leila raika antsovina hoe Simona takao Jopa, ze mpandoko hoditra.

Chapter 10

1Ary nisy leila raika tao an-tananan'ny Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapitenin'reo antoko Maramila Italiana. 2Leila mpivavaka izy ze midera an'Andriamanitra niaraka amin'ny fianakavena daôly: nagnome vola betsaka an'reo ze teo agnatin'ny fasahiranana izy, ary nivavaka isan'andro isan'andro tamin'Andriamanitra.3Tokony tamin'ny ora faha sivy ampôlakeka teo, no nahita fahitana tamin'ny fahian'ny anjelin'Andriamanitra nagnatogna an'azy izy. Le anjely niteny tamin'azy hoe: "Ry Kornelio!" 4Kornelio nitodika tam'le anjely ary tegna reki-tatra ka niteny hoe: "Fa ino ty tompoko?" le anjely niteny tam'azy hoe: Ny vavakao sy ny fagnomezanao ho an'ny mahantra de tafakatra ho fagnati-patserovana akeo agnatrehan'Andraiamanitra. 5Ary magnirà leila hankaigny amin'ny tananan'ny Jopa mba hiaka an'le leila raika atao hoe: Simona izy, ze antsovigna hoe Petera. 6Mipetraka miaraka amin'ny mpandoko hoditra antsovigna hoe Simona izy, ze aigny amoron-dranomasina ny tragnony.7Rafa lasana le anjely ze nirasaka tam'azy, de nagnantso ny rôy tamin'ny mpanompony tao an-dragno i Kornelio, ary miaramila mpivavaka raika tam'reo ze nanompo an'azy.8 Kornelio nilaza tam-jareo ze ra nitranga daôly ary nandefa an'azy reo taigny Jopa.9Ary ny amaraigna tokony tamin'ny ora faha enina teo, raha mbola taigny an-dalana zareo ka nagnatogna ny tanàna, de niakatra taigny ambony tafontragno i Petera mba hivavaka. 10Nanomboka nôna izy avy teo ka nikarakara ra ho anina, kanefa raha mbola teo am-pandraôna ahanina ny ôla de nahita fahitana izy, 11ary natazagna ny lagnitra nisokatra izy sy fitahirizana raika nidigna, salan'ny lamba be midigna aty an-tany am-pidignina amin'ny zorony efatra. 12Tao no nisy karazam-biby manantobotra efatra sy ra ze mandady daôly ambony tany, ary ny vorogn'ny lagnitra.13De nisy feo niteny hoe: "Mitsangana, ry Petera, mamono ary minàna." 14Fa i Petera niteny hoe: "Tsia, Tompoko fa mbola tsy ninana ra ze vôrara sy tsy madio mitsy za." 15De tonga tamin'ny fagnidrôiny ndre le feo hoe: "Ze nodovin'Andriamanitra, de tsy atao hoe fady." 16Nibôgna intelo zany, ar avy teo le fitairizana de niverigna niakatra teo no eo taigny an-dagnitra.17Ary rafa very hevitra momba ny dikan'le fahitana ze hitany i Petera, de io reo leila ze nalefan'i Kornelio nitsangana nagnolôna ny vavahady avy teo zareo de nagnontany ze lalan-jareo nankao an-dragno. 18De nagnantso zareo ary nagnotany an'i Simona, nantsoina ihany kô hoe Petera, ze nijanona teo.19Raha mbola nieritreritra momba an'le fahitana i Petera, de niteny tamin'azy ny Fagna hoe: "Io leila telo mivavaka an'nao. (Fagnamarihana: Ny amin'ny dikan-teny talô de hoe: "Leila rôy no mikaraka an'nao" na misy leila sasagny mikaraka an'nao.) 20Mitsangana ary midigna ka miarà amin-jareo. Aza misalasala miaraka amin-jareo, satria za no nandefa an'azy reo. 21Ary Petera nidigna taigny am'reo leila reo ka niteny hoe:" Za le karanareo. Ino ny antony natongavanareo?"22Ozy zareo hoe: "Ny kapiteny antsovina hoe: Kornelio, leila marina ary ôla ze midera an'Andriamanitra, ary tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy daôly, ze nolazain'ny anjely masin'Andriamanitra mba hampiakatra an'nao ho aigny an-dragnony, no zany de afaka mitaino ny hafatra aminao izy. 23De nagnasa an'azy reo hiditra sy hijanona hiaraka amin'azy Petera. Ny amaraigna ampôlakekan'igny de nitsangana izy ka niaraka tam-jareo, ary ny sasagny tam'reo rahala avy aigny Jopa de nagnaraka an'azy.24Ny andro magnaraka de nanakao Kaisaria zareo. Kornelio de nandigny an'azy reo, nantsoviny niaraka ny havany sy ny namany ankeky.25Ary tam'zany rafa niditra Petera, nifankahita tamin'azy i Kornelio ary niankotra teo an-tongony mba hidera an'azy. 26Fa Petera nagnampy an'azy niteny hoe: "Mitsangana! Za de ôla ihany kô.27Raha mbola niresaka niaraka tamin'azy Petera, de niditra izy ary natazagna ôla marobe nitangorogna. 28Ozy izy tam-jareo hoe: "Ny tegnanareo mafantatra fa tsy ara-dalana ho an'ny Jiosy ny miar-miasa na mitsidika ôla avy amin'ny firenena hafa. Fa Andriamanitra nampisiho taminà fa tsy tokony hagnantso ôla hoe: fady na tsy madio. 29Zany no antony natongavako tsisy sakasakana, rafa nasainy za. Ka magnotany an'nareo za hoe nagnino anareo no nagnasa anà nakaty."30Kornelio niteny hoe: "Efatra andro talôn'zao ora zao, de nivavaka tao an-dragnoko za tamin'ny ora faha sivy, ary nahita leila raika nitsangana teo agnolônako nagnano akanno mamirapiratra. 31Ozy hoe: "Ry Kornelio, efa reignin'Andriamanitra ny vavakao ary reo fagnomezana ho an'reo mahantra de mampatsiaro an'Andriamanitra ny momba an'nao. 32No zany de magnirà ôla ho aigny Jopa, ary antsovo mankaigny aminao le leila atao hoe: Simona ze antsovina hoe Petera. Mipetraka akao an-dragnon'i Simona mpandon-koditra antsovina hoe: Simona izy, ze akao amoron-dranomasina. (Fagnamarinana: Ny dikan-teny talô de magnampy hoe: "Rafa tonga izy de hikoragna amina.) 33Ary avy hatraigny de nalefako taigny aminao. Tsara ny fatongavanao. Ary am'zao fotôna zao tsika daôly tonga aketo amason'Andriamanitra, mba hitaino an'reo ze nolazain'ny Tompo taminareo. (Fagnamarihana: "Raha tokony hoe: nolazain'ny Tompo no tenenina" na eo, de ny dikan-teny talô de hoe: "nolazain'Andriamanitra no tenenina.")34Avy teo de nisoka-bava Petera ary nagnano hoe: "Marina tokôtra, fantatro fa Andriamanitra tsy mitagnila na amin'iza na amin'iza. 35Fa kosa, ze firenena tsiraikaraika na iza na iza midera sy magnano aza marina de ikeny daôly.36Hainareo le hafatra ze nalefany ho an'ny zanak'Israely, rafa nagnambara filazantsara momba ny fiadanana avy amin'ny alalan'i Jesosy kristy izy, ze Tompon'ny daôly.37 Anareo de nafatatra reo ra nibôgna, ze tegna nitranga tao amin'ny tôrana daôly teo Jodia nanomboka taigny Galilia, tafaran'ny batisa ze nagnambaran'i Jaona; 38reo ra-nibôgna mikasika an'i Jesosin'ny Nazareta, ny fomba nagnosoran'Andriamanitra an'Azy tamin'ny Fanahy Masina sy tamin'ny hery. Nande nagnano sao Izy sady nagnasitrana an'reo ze vôgejan'ny devoly, satria Andriamanitra de niaraka tamin'Azy.39Tsika de vavolombelon'reo ra-vitan'i Jesosy daôly taigny amin'ny tanin'ny Jiosy sy taigny Jerosalema. Novonon'jareo Izy tamin'ny alalan'ny fagnantognana an'Azy tamin'ny kakazo, 40fa Andriamanitra nanangana an'Azy tamin'ny andro fatelo ary nagnano ze hahitana an'azy, 41tsy reo ôla daôly, fa reo vavolombelona ze vôfidin'Andriamanitra mialô - tamintsika ze ninana sy nisotro niaraka tamin'Azy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty.42Nandidy an'nay izy mba hagnambara amin'ny ôla sy hitsangana vavolombelona fa izy le raika nofidin'Andriamanitrra ho Mpitsaran'ny velona sy ny maty. 43Ho an'Azy no hitsanganan'ny mpaminagny vavolombelona mba ho reo ze mino an'azy no handray famelan-keloka amin'ny alalan'ny agnarany.44Raha mbola niteny an'zany ra zany i Petera, de nilatsaka tam'reo ze nitaino ny teniny ny Fanahy Masina. 45Reo ôla tao agnatina'ny vondron'ny mpino vôfora reo ze niaraka tamin'i Petera daôly de gaga, satria ny fagnomezan'ny Fanahy Masina de narotsaka ho an'ny Jentilisa kô.46Fa reign'jareo reo Jentilisa ze niteny am'reo fiteny hafa sy mankalaza an'Andriamanitra. De namaly Petera hoe: 47Anga ma misy ôla afaka mitana rano mba tsy hagnanôvana batisa an'azy reo, reo ôla ze nadray ny Fanahy Masina ôtra antsika kô? 48De nandidy an'azy reo mba atao batisa amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangataka an'azy zareo mba hipetraka hiaraka am-jareo mandritra ny andro vitsivitsy.
Chapter 11

1Ary reo Apostoly sy reo ralà ze taigny Jodia naregny fa reo Jentilisa iany kô de nandray ny Tenin'Andriamanitra. 2Rafa niakatra taigny Jerosalema i Petera, reo ze takao amin'ny antokon'reo vôfora de nagnakina an'azy; 3ozy zareo hoe: "Anao nikambagna niaraka tam'reo leila tsy vôfora sady nihinana niaraka tamin-jareo!"4Fa Petera nanomboka nagnazava ny ra nitranga tamin-jareo tamin'ny antsipiriany; ozy hoe: 5"Nivavaka taigny amin'ny tanànan'ny Jopa za, ary nahita fahitana ny amin'ny fisian'ny ra raika ze nidigna, salan'ny lamba gedabe nahidigna avy aigny an-dagnitra tam'reo zorogny efatra za. Nidigna takeo aminà zany. 6Nivandrigna an'zany za ary nisaintsaigna momba an'zany. Natazagna reo biby mana-tongotra efatra amin'ny tany, reo biby de, reo biby mandady, ary reo vorogna aigny amin'ny lagnitra za.7Avekeo za de naregny feo nitare taminà hoe: "Mitsangana, ry Petera; mamonô ary minàna." 8Ozy za hoe: "Tsia, ry Tompo; fa tsy mbôla nisy ra tsy masina na maloto mitsy niditra takato am-bavako." 9Fa le feo namaly avy aigny an-dagnitra ndre hoe: "Ze notaravin'Andriamanitra fa madio, aza antsovina hoe maloto." 10Nibôgna in-telo zany, ary avekeo de nalaina niverigna niakatra taigny an-dagnitra ndre ny ra daôly.11Indro, teo no ho eo de nisy telolà nitsangana takeo agnolôn'ny tragno ze nisy an'nay; nalefa avy taigny Kaisaria nankaty aminà zareo. 12Ny Fanahy de nandidy anà hiaraka amin-jareo, ary tsy tokony hagnisy fizahan-tava amin-jareo za. Reo ralà enina reo de nande niaraka taminà, ary nande nankao an-tragnon'le leila zahay. 13Izy nikoragna taminay ny nahitany anjely raika nitsangana takao an-tragnony ary nitare hoe: "Magnirà leila aigny Jopa ary ento miverigna i Simona ze antsôvina hoe Petera. 14Izy de hilaza hafatra raika aminao ze havôvonjy an'nao - anao sy ny ankohonanao daôly."15Raha vô nagnomboka nikoragna tamin-jareo za, ny Fanahy Masina de tonga tamin-jareo, salan'ny nidignany taminay taigny am-bôlôny. 16Tadidiko ny tenin'ny Tompo, ny nitinenany hoe: "Jaona nagnano batisa tamin'ny rano tokoa; fa anareo de mila hatao batisa akao amin'ny Fanahy Masina."17Ka raha Andriamanitra nagnome an-jareo ny fanomezana mitovy ami'ze nameny antsika tamitsika nino an'ny Tompo Jesosy Kristy, iza za, no ho afaka hagnohitra an'Andriamanitra?" 18Rafa regnin-jareo zany ra zany, tsy nateny na ino na ino hoenti-mamaly zareo, fa nidera an'Andriamanitra kosa zareo ary nitare hoe: "Ary Andriamanitra nagnome fibebahana ho fiaignana ho an'reo Jentilisa iany kô."19Ary reo ze naparitaka noho ny fanenjehana ze netomboka tamin'ny fafatesan'i Stefana de niely lavitra taigny Foinika, Kyprosy, ary Antioka, fa zareo de nilaza ny hafatra momba an'i Jesosy tam'reo Jiosy rerika fôgna. 20Fa ny sasagny tamin-jareo, reo leila avy aigny Kyprosy sy Kyrena, de nande taigny Antioka ary nikoragna tam'reo Grika iany kô, nilaza tamin-jareo ny filazan-tsara momba ny Tompo Jesosy. 21Ny tagnan'ny Tompo de niaraka tamin-jareo; betsaka no nino ary nitodika tamin'ny Tompo.22Reo vaovao momba an-jareo de tonga taigny an-tsofign'ny fiangonana takao Jerosalema, ary zareo nagniraka an'i Barnabasy hatraigny Antioka. 23Rafa tonga izy ka nahita ny fagnomezan'Andriamanitra, de ravoravo izy; ary izy nampahery azy daôly mbô hitôtra miaraka amin'ny Tompo amin'ny fon-jareo daôly. 24Satria izy de leila tsara sady feno ny Fanahy Masina sy finoana, ary ôla betsaka no nagnampy ho an'ny Tompo.25De nande nankaigny Tarsosy i Barnabasy mbô hitady an'i Saoly. 26Rafa hitany izy, de nentiny taigny Antioka. Ary nandritry ny herintaona maninjitra zareo de niara-niangona niaraka tamin'ny fiangonana ary nampianatra ôla betsaka. Reo mpianatra de nantsôvina vôlôny hoe kristiana takao Antioka.27ary tam'zany andro zany de nisy mpaminagny betsabetsaka nidigna avy taigny Jerosalema nankaigny Antioka. 28Raika tamin-jareo, i Agabo no agnantsôvana an'azy, nitsangana ary natoron'ny Fanahy fa hisy mosary lehibe hitranga manerana zao tontolo zao. Nitranga zany tamin'ny andron'i Klaodio.29Noho zany, reo mpianatra, araka ny fahafahan'ny tsiraikaraika avy, de nagnapa-kevitra ny handefa fanampena ho an'reo ralà taigny Jodia. 30Nagnano an'zany zareo; nandefa vola no an'reo lôhôla zareo tamin'ny tagnan'i Barnabasy sy Saoly.

Chapter 12

1Ary tam-zany andro zany Heroda mpanjaka nisambotra reo sasagny ze an'ny fengonana mbô hafany mampijaly an'azy reo.2 Novonoiny tam'Sabatra Jakoba ralàn'i Jaona.3Ary rafa tazany fa nafaly an'reo Jiosy zany, de nagnano ze hisamborana an'i Petera kô izy. Zany de nandritry ny andron'ny mofo tsisy masirasira. 4Rafa avy nosamborina izy, de nataony takao am-ponja izy ary nanendry miaramila efatra toko hiambina an'azy, nanampikasana ny hitondra an'azy akeo am'ôla afaran'ny Paska izy.5No zany de notanana takao am-ponja Petera, fa ny vavaka de nataon'reo ze takao am-pengonana mafy kokoa tam'Andriamanitra ho an'azy. 6Ny alina alôn'ny hitondran'i Heroda an'azy hotsaraina, Petera de natory takeo agnelagnelagn'ny miaramila rôey, vôfatotra tam'rojo rôey, raha mbola nijanona niambina ny fonja ny mpiandry tao alôn'ny varavaragna.7Indro, nisy anjelin'ny Tompo nibôgna tampoka teo akekiny, ary nisy hazavana namiratra tao agnatin'ny efitry ny fonja. Nitaroka an'i Petera teo amin'ny ilany izy ary namô an'azy ka nagnano hoe: "Mitsangàna haingana," ary reo rojony niala tam'tagnany.8 Ny anjely niteny taminazy hoe: "Ampiakanjô ny tegnanao ary agnanôvo ny kraronao." De nataon'i Petera araka zany. Ny anjely niteny taminazy hoe: "Anôvo ny akanjonao ambelagny ary magnarà anà."9De nagnarala an'le anjely Petera ary nivôka. Tsy fantany fa reo ze nataon'ny anjely de tegna izy. Nihevitra izy fa nahita fahitana.10 Rafa avy nandalo teo amin'ny mpiambina vôlôny sy faharô izy reo, de tonga takeo am'vavahady vy ze mizotra mankaigny am'tagnàna; nisokatar ho an'azy tam-jareo zany. Nivôka izy reo nidigna tam'lalana raika, ary le anjely nandôsa an'azy avy hatraigny.11Rafa niverigna tam'tegnany Petera, niteny izy hoe: "Am-zao de fantatro marina fa ny Tompo no nandefa ny anjeliny ary nanafaka anà tam'tagnan'i Heroda, sy tam-ra daôly ze nandrasan'ny Jiosy hibôgna. 12Rafa tonga saigna tam-zany izy, de nankaigny am-tragnon'i Maria maman'i Jaona, antsovigna kô hoe Marka, ze nisy ôla betsaka nitarongona sy nivavaka.13Rafa nandondona teo am-bavahady izy, nisy mpanompo vavay raika antsovigna hoe: Roda tonga namaly. 14Rafa fantany ny feon'i Petera, tam-kafalena de tsy nahavita namô ny varavaragna izy; fa kosa, nande nihazakazaka nankaigny an-trano izy, notateriny fa Petera nitsangana teo am-baravaragna.15 De niteny taminazy izy reo hoe: "Adala enao." Fa nagnizingizigna izy fa zany no izy. Niteny izy reo hoe: "Ny anjeliny zany."16Fa Petera nanohy nandondona, ary rafa novohain'jareo ny varavaragna, de natazagna an'azy izy reo ary gaga. 17Petera nagnetsika ny tagnany tam-jareo ny fomba nitondran'ny Tompo an'azy nivôka ny fonja. Ozy izy hoe: "Tatero aigny am'i Jakoba sy reo rahalà zany ra zany. "De niala izy ary nandeha taigny tamin'ny tôran-kafa.18Ary rafa nazava ny andro, de tsisy fentanam-po kely teo am'reo miaramila ny am-ze nibôgna tam'i Petera. 19Rafa avy nikaraka an'ze Heroda ary tsy nahita an'azy, de nagnadihady ny mpiandry izy ary nandidy an'azy reo mba hovonoina. De nidigna avy aigny Jodia nankaigny Kaisaria izy ary nitôtra taigny.20Ary Heroda de tezitra mafy tam-vahôkan'i Tyra sy Sidona. Niara-nankaigny aminazy izy reo. Nandresy lahatra an'i Blasto izy reo, le mpanampin'ny mpanjaka, mba hanampy an'azy reo. De nangataka fihavanana izy reo, satria ny tagnànan'jareo de mandray ny ahaniny avy am-panjakan'ny tagnàna.21 Tamin'ny andro vôtondro Heroda de nampenkanjo ny tegnany akanjona mpanjaka ary nipetraka takeo am'seza fendrianana; nikabaray tam-jareo izy.22Nikikika ny vahôka: "Zany de feona andriamanitra, fa tsy an'ôla! 23Teo no eo de nisy anjelin'ny Tompo naninaka an'azy; satria tsy nagnome voninahitra an'Andriamanitra izy; nohanin'ny kankana izy de maty.24Fa ny tenin'Andriamanitra nitombo sy miha-betsaka. 25Ka rafa vitan'i Barnabasy sy Saoly ny iraka nampanôvina an'jareo, de niverigna avy taigny (Ny sasagny am'reo de soratra tranainy miteny hoe: "Izy reo niverigna taigny Jerosalema) Jerosalema izy reo, nitondra an'i Jaona niaraka tam-jareo, ze antsovina iany kô hoe Marka.
Chapter 13

1Ary ny fiangonana tao Antioka, de nisy mpaminagny sy mpampianatra maro. Zareo de Barnabasy, Simona (ze antsovina hoe Nigera). Lisiosa avy amin'i Sirena, Manaena (le rahala ze niolonana tamin'i Heroda mpanapak), ary Saoly.2 Raha mbola nidera ny Tompo sy nifady ahanina zareo, ny Fanahy Masina nitare hoe: "Atokano ho anà Barnabasy sy i Saoly, mba hagnano ny asa ze nagnatsovako an'azy reo." 3Tafaran'ny nifaden-jareo ahanina, sy nivavahany, de nametrahan-jareo tagnana reo leila reo, ary nalefan-jareo.4Ka nagneiky ny Fanahy Masina i Barnabasy sy i Saoly ka nande nidigna nankaigny Selosia; avy takeo zareode niondra an-tsabo ho aigny amin'ny Nosin'ny sipra. 5Rafa takao an-tanànan'ny Salamina zareo, de nitory ny tenin'Andriamanitra takao amin'ny Synagogan'reo Jiosy zareo. Ary nanagna an'i Jaoana Marka kô zareo mba ho mpagnampy an'azy.6Ary rafa namakivaky ny nosy irai-manontolo mankaigny Pafosy zareo, de natazagna mpagnano aody, ze mpaminagny Jiosy santoka ary ny agnarany de Bara Jesosy.7 Mpagnana aody ze niara-niasa tamin'reo governora, Serjio Paolosy, ze leila tegna mahay. Nosamborin'io leila io Barnabasy sy i Saoly, satria te hareigny ny tenin'Andriamanitra izy. 8Fa Elimasy "mpagnano aody" (zany no nandikana ny agnarany) nanohitra an'azy reo, ary niezaka hagnodigna ny governora hiala amin'ny finona izy.9Fa i saoly, ze antsovina hoe: Paoly de feno ny Fanahy Masina ary nandinika an'azy tsara.10 Ka nitare hoe: "Anao ny zanaky ny Devoly, anao de feno ny karazam-paratsena sy fitaka daôly. Fahavalon'ze daôly marina enao. Tsy hijanona ny hamaly ny lala-mhitsin'ny Tompo miitsy enao, se tsy zany.11Fa ndreo am'zao, ny tagnan'ny Tompo de efa amela an'nao ka ho tonga jamba anao. Ary tsy hatazagna ny masoandro alô anao. "Teo ny teo de nilatsaka takao amin'i Elimasy ny fanjavojavonana sy fahamaizignana; nanomboka nivezivezy ary nangataka tamin'ôla izy mba hitantana an'azy amin'ny tagnana. 12Rafa avy natazagna ze ra nibôgna teo ny governora, de nino izy, satria gaga tamin'ny fampenarana momba ny Tompo izy.13Ary Paoly sy ny namany de lasana niondrana antsombo avy takao Pafosy nankaigny Perga aigny Pafilia. Fa Jaona kosa nandôsa an'azy reo niverigna taigny Jerosalema. 14Paoly sy reo namany da nande avy taigny Perga avy nankaigny Antiokan'i Pisidia. Ary tao de nade nankaigny amin'ny synagoga tamin'ny andron'ny Sabata zareo ka nipetraka. 15Tafaran'ny famakaina ny lalàna sy ny mpaminagny, de nandefa hafatra taigny amin-jareo ny mpitariky ny synagoga nitare hoe: "Ry rahalà, mba managna hafatra fampaherezana ho an'ny ôla aketo anareo, de taravo izany."16Ary nitsangana Paoly ary nagnano fihetsika tamin'ny tagnany, ka nitare hoe: "Ry olon' Israely anareo ze magnano voninahitra an'Andriamanitra, mitaino. 17Ny Andriamanitra ny olon'Israely de nisafidy ny raintsika ary nampitombo isy ny ôla rafa nipetrak takeo amin'ny tanin'ny Egypta, ary tamin'ny andro fanandratana ny sandriny de notarihiny nivôka takao izy. 18Ary nandefitra tamin'azy reo taigny agnefitra nandritry ny efapolo taona teo ho eo. (Fagnamarihana: Ny dikan-teny talô de mivaky salan'zao: "Nandritry ny efapolo taona eo ho eo de niahy an'azy reo taigny agnefitra izy.")19Ary rafa avy nandrava firenena fito taigny amin'ny tany Kanana izy, de nameny ny vahôkantsika ny tanin'jareo mba ho lova. 20Zany ra-daôly zany de efa tamin'ny faha dimapolo sy efa-jato taona. Tafaran'zany ra daôly zany, Andriamanitra de nagnome mpitsara an'azy mandrapatongan'i Samoela mpaminagny.21Avy takeo de nangataka mpanjaka ny ôla, ary Andriamanitra nagnome an'azy reo an'i Saoly zanak'i Kisa, leila avy amin'ny fokon'i Benjamina, mba ho mpanjaka mandritry ny efapolo taona. 22Ary avy takeo ndre Andriamanitra de nangala an'azy takeo amin'ny fanjakany, ka nanandratra an'i Davida mba ho mpanjakan-jareo. Fa zany no nolazain'Andriamanitra momba an'i Davida hoe: Efa natazagna an'i Davida zanak'i Jesea za mba ho olon'ny foko, ze hagnano ze daôly teko hataony.23Fa avy amin'ny taranak'io leila io no hitondran'Andriamanitra mpagnavotra ho an'Israely, de Jesosy, araka ze efa nampagnantenainy hatao. 24Nanomboka nibôgna zany talôn'ny nahatongavan'i Jesosy, Jaona nagnambara vôlôny tamin'ny vahôkan'Israely daôly momba ny batisan'ny fibebahana. 25Satria Jaona efa nahavita ny asany, de ozy izy: "Izy no eritreretanareo anà? Tsy za le izy. Fa tandrigneso fa, hisy raika ze avy afarako, ary ny kiraro amin'ny tongony de tsy hamendrika anà ny hamaha an'azy.26Ry rahala, zanaka avy amin'ny taranak'i Abrahama, ary ze midera an'Andriamanitra daôly akeo aminareo, ho antsika no nandefasana an'zany hafatra momban'ny famonjena zany. 27Fa re ze mipetrak aigny Jerosalema, sy ny mpitondran'izy reo, de tsy nafantatra an'azy, ka tanterak'izy reo ny vôlazan'ny mpaminagny ze vakina isan-tsabata ny amin'ny fagnamelohana an'azy.28Na de tsy matazagna ze antony tsara hamonoana an'Azy ary zareo, de nangataka tamini Pilaty fôgna mba hamono an'azy. 29Rafa tanterak'izy reo ny ra daôly ze vôsoratra momba an'azy, de nampidin'izy reo taigny amin'ny kakazo Izy ary nampandreny tao am-pasagna.30Fa Andraimanitra kosany nampitsangana an'azy tamin'ny maty. 31Ary tazagn'reo ze niara-niakatra tamin'azy avy taigny Galilia mankaigny Jerosalema izy nandritry ny andro maromaro. Ary am'zao de reo ôla reo no vavolombelony ho an'ny ôla.32No zany zahay miteny aminareo ny filazantsar ze nampagnategnan'Andriamanitra tamin'ny raintsika ze efa tanterany ho antsika,33 zanak'izy reo, tamin'ny nananganany an'i Jesosy. Arak'ze efa vôsoratra akao amin'ny salamo faroa hoe: "Zanako enao, gniany de tonga Rainao za." 34Ny antony nananganana an'azy tamin'ny maty de ny mba tsy hahasimba mandrakizy ny vatagny, Andriamanitra nitare salan'zao: "Homeko an'nareo ny fitahiana masina sy azo antoka nampagnantegnana an'i Davida."35Zany kô no natonga an'azy nitare tao amin'ny salamo hafa hoe: "Tsy hamely le Masina hatazagna ny lo enao." 36Satria rafa nanatanteraka reo fagnirian'Andriamanitra ho an'ny taranany i Davida de resin-tory izy, ka nampandrena niaraka tam'reo rainy izy ary ny vatany niharan'ny fahalovana. 37Fa izy ze natsangan'Andriamanitra de tsy niharan'ny faharavana.38Ka ôka ho fantatrareo zany, ry rahala, fa tamin'ny alalan'io leila io no nagnambarana taminareo ny famelana ny fahotana. 39Amin'ny alalany ny ôla tsiraikaraika ze mino de vômarina amin'ny ra daôly ze mety tsy ho vômarin'io lalàn'i Mosesy io.40Ka mitandrema mba tsy hibôgna aminareo ze ra nolazain'ny mpaminagny hoe:41 "Ndre, nareo ry mpagnano tsinontsinona, de ho gaga ary ho levona. Fa Za magnano asa amin'ny andronareo, Asa ze tsy ninoanareo miitsy, na de misy ôla magnambara an'zany aminareo aza."42Rafa lasa i Barnabasy sy i Paoly, de nengavy an'azy reo ny ôla mba hitorian'jareo reo teny reo ihany amin'ny Sabata magnaraka.43 Rafa tapitra ny fivoriana tao amin'ny Synagoga, de maro tam'reo Jiosy sy reo Synagoga, de maro tam'reo Jiosy sy reo proselita mafatra-po no nagnaraka an'i Paoly sy Barnabasy, ze niresaka tam'jareo sy nampirisika an'azy mba hanohy akao amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.44Tamin'ny Sabata magnaraka, de saika ny tanàna magnontolo no niaraka niangona mba hareigny ny tenin'ny Tompo. 45Rafa natazagna reo vahôka ny Jiosy, de feno fefonana izy reo ary niteny nanohitra reo ra ze nolazain'i Paoly sy nagneso an'azy.46Fa Paoly sy Barnabasy nitare am-pasahiana ary nilaza hoe: "Le ho vôlaza aminareo mialô ny tenin'Andriamanitra. Fa rafa manosika an'zany nareo ary mihevitra ny tagnanareo ho tsy mendrika ny fiaignana mandrakizay, de alao hiverigna aigny amin'ny Jentilisa zahay. 47Araka ze efa nandidian'ny Tompo an'nay, magnano hoe: 'Napetrako mba ho fazavan'ny Jentilisa nareo, zany no tokony hitondranareo famonjena ho an'reo ze aigny amin'ny fara-vazan-tany."48Rafa nareigny an'zany ny Jentilisa, de faly sy nidera ny tenin'ny Tompo. Ary betsaka reo ze vôtendry ho amin'ny finoana ny fiaignana mandrakizay no nino. 49Ary ny tenin'ny Tompo de niely eran'ny faritra manontolo.50Fa ny Jiosy kosa de namporisika an'reo vevavy mafatra-po sy manan-danja, sy reo leila mpitarika tao an-tanàna. Niteraka fagnenjehana ho an'i Paoly sy Barnabasy zany ary nanipy an'azy reo ho aigny avelan'ny tanàna. 51Fa Paoly sy Barnabasy nagnintsagna ny jofo tamin'ny tongotry zareo mba hanoherana an'azy reo. Ary avy takao zareo de nankaigny amin'ny tanànan'i Ikoniama. 52Ary ny mpiantra de feno hafalena sy ny Fanahy Masina.
Chapter 14

1Ary tam'zany tao Ikonioma Paoly sy Barnabasy niara-niditra takao amin'ny Synagogan'ny Jiosy ka nikoragna tam-pavitrihana ary ny vahôka betsaka be Jiosy sy Grika de nino. 2Fa ny Jiosy ze tsy nankato kosa de nanakorontana ny fisaignan'ny jentilisa ka nahatonga an-jareo hanohitra reo ralahy.3Ka nipetraka ela takeo zareo, nitare tam-pasahiana niaraka tamin'ny herin'ny Tompo, tamin'ny nagnomezany porofo makasika ny hafatra ny amin'ny fahasoavany. Izy nagnano zany tamin'ny alalan'ny famantarana sy fagagana ze natao tamin'ny alalan'ny tagnan'i Paoly sy Barnabasy. 4Saingy ny ankabeazan'ny tanàna de nizarazara: ny ôla sasagny niandany niaraka tam'reo Jiosy, ary ny sasagny niaraka tam'reo Apostoly.5Rafa nagnandrana nandresy lahatra ny mpitarika an-jareo ny Jentilisa sy ny Jiosy mbô hamono sy hitora-bato an'i Paoly sy Barnabasy, 6de nanjary nisitrika zareo ary nilefa malaky takao an-tanànan'ny Lykaonina, Lystra sy Derbe, ary reo tanàna magnodidina ny faritra, ka 7tagny zareo no nagnambara ny filazantsara.8Nisy leila raika nipetraka takao Lystra malemy ny tongony, hatraigny an-kibon-dreniny, ze efa tsy nande hatram'zay. 9Io leila io nandregny an'i Paoly nikoragna. Paoly nanatrika an'azy tsara takeo amin'ny masony ka natazagna fa managna finoana ny ho sitrana izy. 10Ka nilaza tamin'azy izy tamin'ny feo mahery hoe: "Mitsangàna amin'ny tongotrao." Noho ny avekeo le leila de nitsambikimbikina ary nande takeo amin'ny magnodidina.11Rafa natazagna ze nataon'i Paoly reo vahôka betsaka be de nanandratra ny feony zareo, nitare tamin'ny fitenin'ny Lykonia hoe: "Nidigna avy aigny an-dagnitra ho amintsika amin'ny endrikôla reo andriamanitra." 12Nagnantso an'i Barnabasy zareo hoe: "Jopitera", ary Paoly "Merkory", satria izy no mpandaha-teny. 13Ny mpisorogn'i Jopitera, ze ny tempoly de takeo avelan'ny tanàna, de nitondra omby sy fehilôha vy takeo am-bavahady; izy sy ny vahôka betsaka be nikasa hagnome sorogna.14Fa ny Apostoly, Barnabasy sy Paoly, rafa nandregny zany de nandrovitra ny fitafiany zareo ka nande malaky ho akao agnaty vahôka, nitaraigna sy nitare hoe: 15"Ry leila, magnino anareo no magnano an'zao ra zao? Zahay iany kô de ôlombelona mitovy fahatsapana aminareo iany. Zahay mitondra ny filazantsara ho an'nareo, mbô hitodihanareo hiala am'zao zava-pôgna zao ho aigny amin'Andriamanitra velona, ze nagnano ny lagnitra, ny tany, ary ny ranomaina sy ny ra daôly ze akao amin'azy. 16Tamin'ny andro talô, Izy de namela ny firenena daôly nande tamin'ny lalany manokana avy.17Kanefa, Izy de tsy namela ny tegnany tsisy vavolombelona, takao am'zanyde nagnano ny tsara Izy ary nagnome an'nareo ranon'orana avy aigny an-dagnitra sy vanim-potôna mahavokatra, ka hameno ny fonareo amin'ny sakafo sy firavoravôna." 18Fa na de tam'zany teny zany aza, Paoly sy Barnabasy de tsy nitsahatra nitàna ny vahôka betsaka be tsy hagnano sorogna ho an-jareo.19Fa ny Jiosy sasagny avy akao Antokia sy Ikonioma de tonga ary nandresy lahatra ny vahôka. Zareo itora-bato an'i Paoly sy nitarika an'azy hivôka ny tanàna, ary nieritreritra fa maty izy. 20Ary raha mbôla nitsangana nagnodidina an'azy takeo reo mpianatra, de nitsanana izy ary niditra ny tanàna. Ny amaraignan'igny, de nande nankaigny Derbe niaraka tamin'i Barnabasy izy.21Avekeo zareo nagnambara ny filazantsara takao am'zany tanàna zany ka nahazo mpianatra betsaka, niverina takao Lystra zareo, taigny Ikonioma, sy taigny Antiokia. 22Zareo de nanohy nampahery ny fanahin'reo mpianatra ary namporisika an'azy mbô hanohy akao amin'ny finoana, no sady nilaza fa: "Tsy maintsy amin'ny fahorena betsaka be no hidirantsika akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."23Rafa nanendry lôholona ho an-jareo takeo amin'ny isam-piangonana zareo, sy nivavaka tamin'ny fifadian-kanina, de natolotr'zareo ho an'ny Tompo zany, ze ninoan-jareo. 24De nandalo tamin'i Pisidia zareo ka tonga tao Panfilia. 25Rafa nagnambara ny teny takao Perga zareo, de nande nidigna taigny Atalia. 26Avy taigny zareo no niantsambo nidigna ho aigny Antiokia, ze nahazoa-jareo ny fahasoavan'Andriamanitra ho an'ny asa ze vitan-jareo am'zao.27Rafa tonga takao Antiokia zareo ary nanangona miaraka ny fiangonana, de nitatitra ny ra daôly ze vitan'Andriamanitra tamin-jareo, sy hoe nanakôry no namohany varavaragn'ny finoana ho an'reo Jentilisa. 28De nijanona fotôna ela niaraka tam'reo mpianatra zareo.

Chapter 15

1Ny ôla sasagny de nidigna avy taigny Jodia hankaigny Antiokia ary nampianatra reo rahalà, ka niteny hoe: "Raha tsy vita famorona araka ny fomba fataon'i Mosesy anareo, de tsy vôvonjy nareo." 2Zany de natonga an'i Paoly sy Baranabasy tao agnaty fifandirana sy ady hevitra tam-jareo. No zany i Paoly sy i Barnabasy de vôtendry niaraka tam'sasagny hafa tam-jareo hiakatra aigny Jerosalema mba hiaogna am'reo apostoly sy reo loholona momba an'zany fagnontanena zany.3No zany zareo de nalefan'ny fengonana namakivaky an'i Foinika sy Samaria ary nagnambara ny fiovam-pon'ireo Jentilisa. Zareo de nitondra hafalena geda be tam'reo rahalà daôly. 4Rafa tonga tao Jerosalema zareo, de noraisin'ny fengonana sy reo apostoly ry reo loholona, ka nitantara reo ra daôly ze nataon'Andriamanitra tam'jareo.5Nefa ny ôla sasagny ze nino, ze tao amin'ny tarik'ireo Fariseo, de nitsangana sy niteny hoe: "Ilaina ny magnano ny famorana an'azy reo sy ny mibeko an'azy reo hitandrina ny lalàn'i Mosesy." 6No zany reo apostoly sy reo loholona de niara-nivory mba handinika zany zava-misy zany.7Tafaran'ny ady hevitra be, nitsangana i Petera ka niteny tam-jareo hoe: "Ry rahalà, fantatrareo fa efa talô elabe Andriamanitra no nagnano safidy teo aminareo mba ho am'alalan'ny vavako de tokony haregny ny tenin'ny filazantsara, ary hini. 8Andriamanitra, ze mafantatra ny fo, vavolombelona am-jareo, nagnome ny Fanahy Masina an'azy reo, salan'ny nataony tamintsika; 9Ary tsy nagnavakavaka tamintsika sy tam-jareo Izy, nagnadio ny fon'jareo tamin'ny finoana.10Ary no zany nagnino anareo no mitsara an'Andriamanitra, hoe tokony asena zoga akeo am'vozon'reo mpianata nefa na ny razantsika na tsika aza tsy mavita milanja? 11Nefa mino tsika fa ho vôvonjy amin'ny alalan'ny fasoavan'i Tompo Jesosy, ôtran'jareo iany kô."12Ny ôla daôly de nitana ny fangignana nadritra ny nitainon-jareo an'i Barnabasy sy Paoly mitatitra reo famantarana sy reo fagagana niasan'Andriamanitra ze niasa tam'reo Jentilisa tamin'ny alalan'jareo.13Rafa avy nijanona niresaka zareo de namaly Jakoba, niteny hoe: "Ry rahalà, tainô za. 14I Simeona de efa nagnambara ny fomba nagnampen'Andriamanitra tamim-pasoavana vôlôny reo Jentilisa mba hiaka am-jareo ôla ho an'ny agnarany.15Ny tenin'reo mpaminagny de momba an'zany, araka ny vôsoratra hoe:16 "Afaran'reo ra reo de hiverigna za, ary hanagana ndre ny trano lain'i Davida za, ze efa roba. Hagnambôtra sy hamerigna amin'ny lôny ndre reo faharavany za, 17mba hikaraka ny Tompo reo ôla sisa tavela, akao agnatin'zany reo Jentilisa daôly ze antsovina amin'ny agnarako." 18Zao no nolazain'ny Tompo, reo ze efa nagnano reo ra reo ze efa fantatra tam'reo razambe talô. (Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny talô de mivaky ôtran'zao: "Zao no nolazain'ny Tompo, am'reo ze fantatra tamin'ny andro talô ny asany daôly.)19No zanay, ny hevitro de tsy tokony hagnakorontagna reo avy amin'ny Jentilisa ze nitodika tamin'Andriamanitra tsika. 20Fa tsika de hanoratra ho an'azy reo fa tsy maintsy miala amin'ny falotoan'reo sampy zareo, amin'ny favetavetana, ary amin'ny henan'ny biby vôkenda, sy amin'ny rà izy reo. 21Satria Mosesy de efa vômbara tamin'ny isan-tanàna tamin'ny andro talô ary izy de vakina akao amin'reo synagoga isaky ny Sabata."22De ôtran'ny tsara tam'reo apostoly sy reo loholona, niaraka tamin'ny fengonana manontolo, ny hifidy an'i Joda ze antsovina hoe Barnabasy, sy i Silasy, ze mpitarika ny fengonana, sy ny handefa an'jareo aigny Antokia miaraka am'i Paoly sy Barnabasy. 23Izy reo de nanoratra an'ty: "Hatraigny am'reo apostoly sy reo loholona, reo rahalahinareo hatramin'reo rahalà avy aigny Jentily aigny Antiokia, Siria, ary Kilikia: Arahaba!24Tsika de efa naregny fa reo ôla sasagny de niala tamintsika, tsy nisy baiko avy amintsika, ary nagnelingeligna an'nareo tam'reo fampenarana ze nampikorontagna ny fagnanareo. 25Zao no izy, zahay daôly de efa nagneky ny hifidy reo leila sy handefa an'azy reo aigny aminareo miaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay, 26leila ze nagnano ny aigny tsy ho ra ho an'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.27No zany zahay de magniraka an'i Joda sy i Silasy, ze hilaza aminareo io ra io iany amin'ny tenin'jareo manokana. 28Fa ôtran'ny tsara amin'ny Fanahy Masina sy aminay, ny tsy hampitondra an'nareo entana mavesatra no reo tegna ilaina reo: 29mba hialanareo am'reo ra nataonareo ho fagnatitra am'reo sampy, rà, reo ra vôkenda, ary avy amin'ny favetavetana. Raha mitandrina ny tegnanareo am'zany nareo, de ho tsara aminareo zany. Veloma."30No zany zareo, daôly vôrôka, de nidigna taigny Antiokia; avy teo zareo de namory ny vahôka niaraka, ary nanolotra le taratasy zareo. 31Rafa vôvakin'jareo zany, de nifaly zareo no ny fampaerezana. 32Joda sy i Silasy, mpaminagny iany kô, de nankahery reo rahalà tamin'ny teny betsaka sy nampahery an'jareo.33Rafa avy nijagnona fotôna vitsy tao zareo, de nalefa am-pedanana avy am'reo rahalà ho aigny am'reo ze nandefa an'jareo reo. 34(Fagnamarihana: Ny dikan-teny tranaigny ndrindra de magnala ny andininy faha 34 (jereo ny Asa 15:40): "Nefa mbola satrin'i Silasy ny hijanona teo.") 35Fa i Paoly sy Barnabasy de nijanona taigny Antiokia niaraka tam'reo maro hafa, ze nampenaran'jareo sy nagnambaran'jareo ny tenin'ny Tompo.36Tafaran'ny andro vitsy Paoly de niteny tamin'i Barnabasy hoe: "Andao tsika hiverigna zao ary hitsidika reo rahalà aigny amin'ny tanana ze efa nagnambarantsika ny tenin'ny Tompo, ary haita hoe: efa manakôry zareo."37 I Barnabasy de te hitondra an'i Jaona ze nantsovina hoe Maraka hiarak am-jareo. 38Nefa i Paoly nievitra fa tsy tsara ny hitondrana an'i Marka, ze nandao an'azy reo taigny Panfilia sy tsy nanohy niara-niasa tam'jareo .39Avy teo de nisy fifandirana mafy, ka nisaraka izy reo, ary i Barnabasy nitondra an'i Marka niaraka taminazy ary nande sambo nankaigny Sipra. 40Fa i Paoly nifidy an'i Silasy ary nande, tafaran'ny nagnomezan'reo rahalà an'azy andraikitra ho an'ny fasoavan'ny Tompo. 41Avy teo de nande namakivaky an'i Syria sy i Kilikia, ka nampatanjaka an'reo fengonana.
Chapter 16

1Tonga taigny Derbe sy Lystra iany kô Paoly, ary indro, takeo le mpianatra raika antsovina hoe Timoty, zanaka lahin'ny vevavy Jiosy ze nino; Grika ny rainy. 2Izy de tsara laza tam'reo ralàny ze taigny Lystra ary Ikonioma. 3Ten'i Paoly hiara-de amin'azy izy; de nalainy izy ary noforany noho reo Jiosy ze takeo am'reo tôrana reo, satria fantatr'izy daôly fa Grika ny rainy.4Raha nande namakivaky reo tanàna maro zareo, de nagnolotra toromarika ho an'reo mpino mbô hankato ny fampenarana, ze nosoratan'ny Apostoly sy ny lôhôlona takao Jerosalema. 5Ka nenatanjaka tamin'ny finoana ny fiangonana ary nitombo isa isan'andro.6Nande namakivaky ny faritry ny Frygia sy Galatia Paoly sy ny namany, satria noraran'ny Fanahy Masina zareo hagnambara ny teny aigny amin'ny faritr'i Asia. 7Rafa niditra nanakeky an'i Mysia, de tehande ho akaigny bitynia zareo, nefa nosakanan'ny Fanahin'i Jesosy zareo. 8Ka nandalo tamin'i Mysia, de nande nidigna taigny amin'ny tanàna an'o Troasy zareo.9Nahita fahitana i Paoly tamin'ny alina: leila raika Makedoniana nitsangana takeo, nagnantso an'azy ary nitare hoe: "Ave aty Makedonia ary vonjeo zahay." 10Rafa avy nahita ny fahitana i Paoly, de nagnainga hankaigny Makedonia avy hatraigny zahay, natsapa fa Andriamanitra no nagnantso an'nay mbô hitory ny filazantsara amin-jareo.11Niantsambo noho zany avy aigny Troasy, de nizotra mahitsy ho aigny Samatrakia zahay, ary nihazo an'i Neapolia zahay ny andro magnaraka. 12Avy takeo de nande nankaigny Filipy zahay, ze isan'ny tanàna Makedonia, ze tanàna manan-danja ndrindra akao amin'ny faritra sy ny zana-tany Romanina, ary nijagnona takao am'zany tanàna zany nandritry ny andro maro zahay. 13Tamin'ny andron'ny Sabata de nande taigny avelan'ny vavahady ankekin'ny renirano zahay, ze noeritriretinay fa misy tôram-pivavahana. Nipetraka zahay ary nikoragna tam'reo vevavy ze niaraka tonga takeo.14nisy vevavy raika atao hoe Lydia, mpivaro-damba volomparasy avy aigny amin'ny tanànan'i Tyatira, ze nanompo an'Andriamanitra, nihaino an'nay. Nagnokatra ny fony ny Tompo hitandrina ny teny ze nolazain'i Paoly. 15Rafa vita batisa izy sy ny ankohonany, de namporisika an'nay izy, nitare hoe: "Raha nitsara anà ho matoky amin'ny Tompo anareo, de midira ary mitoera akao an-tragno." Ary nandresy latra an'nay izy.16Ary tam'zany, raha nande nande nankaigny amin'ny tôram-pivavahana zahay, de nisy gaognavavy raika ze managna fagnahin'ny sikidy nifagnena taminay. Nitondra tombony betsaka ho an'ny tompony tamin'ny alalan'ny sikidy izy. 17Nagnaraka an'nay sy Paoly avy akao afaran'io vevavy io ary nagnantso mafy, nagnano hoe: "Reo leila reo de mpanompon'Andriamanitra Avo Ndrindra. Magnambara aminareo ny lalam-pamonjena zareo." 18Nagnano an'zany nandritry ny andro maro izy. Fa i Paoly de nagnomboka sosy tamin'azy ka nitodika ary nitare tamin'ny fagnahy hoe: "Mandidy an'nao amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy za mbô hivôka akao amin'azy." Ary nivôka avy hatraigny zany.19Rafa tazagn'reo tompony fa lasa le fagnantenana ny amin'ny tombony ho an-jareo, de nosamborin-jareo i Paoly sy Silasy ary notaritiny zareo ho aigny an-tsena takeo agnolôn'reo manam-pahefana. 20Rafa nitondra an'azy zareo takeo agnolôn'reo mpitsara zareo, de nitare hoe: "Magnakorontana ny tanànanantsika reto leila reto. Jiosy zareo. 21Magnambara fomba ze tsy ara-dalàna ho an'ny Romanina ny maneky na mampihatra an'azy zareo."22De nitsangana ny vahôka nagnohitra an'i Paoly sy Silasy; nagnala ny lamban-jareo ny mpitsara ary nandidy an-jareo mbô ho tarôna amin'ny kakazo. 23Rafa notarôn'reo mafy zareo, de nalefan-jareo taigny an-tragnomaizina ary nandidy ny mpambina ny tragnomaizina mbô hiambina mafy an-jareo. 24Rafa navôray an'zany didy zany ny mpiambina, de nalefany taigny amin'ny farany agnatiny ndrindra amin'ny fonja zareo ary nofatorany takeo amin'ny kakazo ny tongotr'zareo.25Nagnodidina ny misasak'alina de nivavaka i Paoly sy Silasy ary nihira fiderana an'Andriamanitra, ary reo gadra hafa de nitaino an-jareo. 26Tampoka takeo de nisy horohorontany gedabe, ka nampiozongozogna ny fototry ny fonja; ary nisokatra avy hatraigny ny varavaragna daôly, ary nivà ny fatôran'ny ôla daôly.27Taitra tamin'ny torimaso ny mpiandry ny tragnomaizina ary natazagna reo varavaran'ny fonja nivô; namôka ny sabany izy ka saika hamono ny tegnany, satria neritreretiny fa nandositra reo gadra. 28Fa nagnantso tamin'ny feo mafy Paoly, nagnano hoe: "Aza mandratra ny tegnanao, satria akato daôly zahay.29Nampagnantso jiso le mpiambina tragnomaizina ary niditra malaky takao agnatiny, nipararetra noho ny tatra, nenkôka takeo agnolôn'i Paoly sy Silasy, 30ary nitondra an-jareo nivôka sy nitare hoe: "Tompoko, ino no tsy maintsy hataoko mbô ho vôvonjy?" 31Ozy zareo hoe: "Minoa an'i Tompo Jesosy, de ho vôvonjy anao, anao sy ny ankohonanao."32nitory ny tenin'ny Tompo tamin'azy zareo, niaraka tamin'ny ôla daôly takao an-tragnony. 33Avekeo de nandray an'azy reo tamin'ny alina tamin'igny ora igny iany le mpambina fonja, ary nagnasa ny ferin-jareo, ary izy sy reo daôly takao amin'ny tragnony ray manontolo de natao batisa teo no ho eo. 34Avekeo de nentiny niakatra takao an-tragnony i Paoly sy Silasy ary nandroso sakafo takeo agnolôn-jareo izy, de nifaly tokoa izy niaraka tam'reo takao an-tragnony, f'efa nino an'Andriamanitra izy.35Ary rafa ampalakeka ny andro, de nandefa teny tam'reo mpiambina reo mpitsara, nitare hoe: "Avilao hande reo leila reo." 36Nitatitra an'zany teny zany tamin'i Paoly le mpiambina, nitare hoe: "Nampitondra teny taminà reo mpitsara mbô hamela an'nareo hande: noho zany am'zao fotôna zao mivoà, ary mandiana am-pedanana."37Fa niteny tamin-jareo Paoly hoe: "Nitarika an'nay ampabemaso tsisy fitsarana zareo, na de mizàka ny zom-pirenena Romanina aza zahay - ary nalefan-jareo tao am-pigadrana. Am'zao de ten-jareo ho alefa an-tsokosoko ma zahay? Tsia! Ôka ny tegnan-jareo no ho tonga aketo sy hitarika an'nay hivôka." 38Nitatitra an'zany teny zany tamin'ny mpitsara ny mpiambina, ary raha vô naregny zareo fa romanina i Paoly sy Silasy, de natatra zareo. 39Tonga sy nagnalatsiny tamin-jareo ny mpitsara ary nitondra an-jareo nivôka, nangataka an-jareo mbô hiala akao an-tanàna.40Ka niala takao an-tragnomaizina i Paoly sy silasy ary nankao an-tragnon'i Lydia. Rafa nahita an'reo ralà i Paoly sy Silasy, de nampahery an-jareo ary avekeo de niala takao an-tanàna zareo.

Chapter 17

1Ary rafa nandalo reo tanànan'ny Anfipolia sy Apolonia zareo, de tonga tao am'tanànan'i Tesalonika zareo, ze nisy Synagogan'ny Jiosy.2 Paoly, araka ny fomba fataony de nankeo am-jareo, ary niady hevitra niaraka tam-jareo avy ao amin'ny Soratra Masina nandritra ny andro Sabata intelo.3Nosokafany ny Soratra Masina ary nazavainy fa nilain'i Kristy ny nijaly sy hatsangana ndre am'maty. Ozy izy hoe: "Io Jesosy ze ambarako aminareo io no Kristy."4 Resy lahatra ny sasagny tam'reo Jiosy ary nanaraka an'i Paoly sy Silasy, agnisan'zany reo mpivavaka Grika betsaka an'isa, ary tsy vitsy ny vevavy mpitarika.5Fa reo Jiosy tsy mpino nenti-pelonana de naka reo ôla ratsy fagna avy aigny an-tsena, nagnangona niaraka ny vahôka, ary nampitabataba ny tanàna. Nanafika ny tragnon'i Jasona, te hitondra an'i Paoly sy Silasy hiala ny vahôka izy reo. 6Fa rafa tsy hitany zareo, de notarin'jareo i Jasona sy ny rahalà hafa sasagny ho akeo agnolôn'ny manam-paefanan'ny tanàna, nitomany. "Reto leilà ze nampitsimbadika zao tontolo zao reto de tonga takeo iany kô. 7Reto leilà ze nampandroson'i Jasona reto de manoitra ny didin'i Kaisara; miteny zareo fa misy mpanjaka hafa de i Jesosy."8Vôelingeligna ny vahôka sy ny manam-paefana teo am'tanàna rafa nareigny zany ra zany. 9Fa rafa avy akeo ny manam-paefana nampagnano sy nampandô vola an'i Jasona sy ny ambiny mba ho antoka, avy akeo zareo nanavela an'jareo hande.10Nalefan'reo rahalà taigny Beria ny alin'iny i Paoly sy Silasy. Rafa tonga tany izy reo, de niditra tao am'synagogan'ny Jiosy. 11Ary reo ôla reo de mihaja mandombolombo no reo aigny Tesalonika, fa nandray ny teny tamim-pahavonognan'ny saina daôly zareo, nandinika ny Soratra Masina isan'andro mba hahita raha tegna zany tokô regny ra regny. 12No zany de betsaka tam-jareo no nino, tao agnatin'zany ny vevavy Grika manan-kaja sasagny sy leilà betsaka.13Fa reo Jiosin'ny Tesalonika rafa nareigny fa i Paoly de nagnambara ny tenin'Andriamanitra tao Beria iany kô, de nandeha tegny zareo ary nampitabataba sy nampikorontagna reo vahôka. 14Ary avy hatraigny, reo rahalà nandefa an'i Paoly ho aigny an-dranomasina, fa i Silasy sy i Timoty nijanona teo. 15Reo ze nitarika an'i Paoly nitondra an'azy hatraigny am'tanànan'i Atena. Raha namela an'i Paoly takeo izy reo, de nandramby torolàlana avy aminazy ho an'i Silasy sy Timoty mba hankaigny aminazy haingana araka ze ao atao.16Ary raha nandigny an'jareo taigny Atena i Paoly, de tonga tezitra takao agnatiny ny fagnany raha vô nahita ny tanàna feno sampy. 17Ka niady hevitra takao am'synagoga niaraka tam'reo Jiosy sy reo hafa ze kô ny takao am'tôran'ny raharaham-barotra niaraka tam'reo ze teo.18Fa ny sasagny tam'reo filozofa Epikoreana sy Stoika iany kô nifanena taminazy. Ny sasagny nilaza hoe: "Ino no ten'io be resaka io ho lazaina?" Ny hafa nilaza hoe: "Tô ôtran'le raika ze miantso ny ôla hanaraka reo andriamanitra hafa izy," satria nitory an'i jesosy sy ny fitsanganana am'maty izy.19Naka an'i Paoly izy reo ary nitondra an'azy tao amin'ny Areopago, niteny hoe: "Afaka mamantatra zany fampenarana vaovao ze notaraviano zany ma zahay? 20Fa mitondra ra hafa tsy fahareign'ny sofina enao. No zany, te hafantatra ny dikan'zany ra zany zahay." 21(Ary ny Atenina daôly sy ny vahiny nipetraka de nandany ny fotôgnany tamin'ny tsy nisy fa iany kô tam'filazana na fihainoana momban'ny ra-vaovao.)22Ka nitsangana takeo ampovôgn'ny Areopago i Paoly ary niteny hoe: "Anareo leilàn'i Ateniana, hitako fa tegna relijiozy am'fomba daôly anareo. 23Fa raha nandalo za ary nandinika ny tanjon'ny fomba fanompoam-pivavahanareo, de nahita alitara za misy ty soratra ity hoe: 'Ho an'Andriamanitra Tsy Fantatra. "Ino zany no hivavanareo akao am'tsy fantatra, zany no lazaiko aminareo.24Ny Andriamanitra ze nagnano zao tontolo zao sy ny ra-daôly akeo aminazy, satria Tompon'ny lagnitra sy ny tany Izy, tsy mipetraka akao agnaty tempoly vôorina tam'tagnana. 25Na izy tsy notompona tam'tagnan'ôla, ôtran'ny nila ra izy, satria izy tegnany no magnome fiaignan'ôla sy ny fofon'aigna ary ny ra hafa daôly.26Avy am'ôla raika no nagnôvany ny firenena daôly ho an'ny ôla mba hiaigna akeo ambonin'ny tany, namaritra ny vanim-potônan'jareo sy nanendry ny toeram-ponenana ary ny andro iaignan'reo, 27ka mba tokony hitsikaraka an'Andriamanitra izy reo, raha tô ka mety hatratra sy hahitra an'Azy zareo. Kanefa mbola tsy lavitra antsika tsiraikaraika avy Izy.28Satria tsika de mivelogna sy mihetsika ary magnana ny maha-izy antsika, sala'ny notenenin'ny raika amin'ny mpagnano tonokalonareo manokana hoe: "Fa taranagny ihany kô tsika." 29No zany, satria zanak'Andiamanitra tsika, tsika de tsy tokony hieritreritra fa ny hatsaran'ny fombany de mitovy am'volamena, na volafotsy, na sary-vongana ze noforonina avy am'asa tagnana sy aingam-pagnan'olombelona.30No zany de tsy tsarovan'Andriamanitra ny fotôn'ny tsy fahalalana, fa am-zao mandidy ny ôla daôly mba hibebaka izy. 31Zany no izy satria nametraka andro izy hoe ovena no hitsara an'zao tontolo zao am'fahamarinana am'alalan'ny ôla ze nofidiny. Nagnome porofon'io leilà io tam'ôla tsiraikaraika tam'alalan'ny fananganana an'azy tam'maty Andriamanitra.32Ary rafa nahareigny ny fitsanganana am'maty ny ôlan'i Atena, de nagneso an'i Paoly ny sasagny; fa ny sasagny nilaza hoe: "Hihaino an'nao ny momba an'zany ra zany zahay."33 Tafaran'zay, nandalo an'azy reo i Paoly. 34Fa ny sasagny tam'ôla nanaraka an'azy ary nino, atao agnatin'zany i Dionysio Aeropagita, vevavy antsovina hoe Damary, ary ny sasagny niaraka tam-jareo.
Chapter 18

1Ary tao afaran'reo ra reo Paoly de niala takao Atena ary nankaigny Korinto.2 Nihaogna taminà Jiosy nantsovina hoe Akoila tao izy, tera-tany Ponto, ze vô tonga avy taigny Italia niaraka tamin'i Prisila vadiny, satria i Klaodio nandidy ny Jiosy daôly hiala tao Roma. Paoly nankeo amin'jareo, 3ary satria varotra mitavy ihany no hiasany, de niara-nipetraka tam-jareo izy ary niasa, fa ny magnano lay no asan'jareo.4Ka niady hevitra takao amin'ny syngago isaky ny Sabata i Paoly. Nandresy lahatra reo Jiosy sy Grika izy. 5Fa rafa nidigna avy taigny Makedonia i Silasy sy Timoty, de noteren'ny Fagna hagnambara am'reo Jiosy fa Jesosy no Kristy i Paoly. 6Rafa nanohitra sy nagnesoeso an'azy reo Jiosy, de nagnofaofa ny lambany taigny amin'izy reo i Paoly ka nagnano hoe: "Ho akeo amin'ny lônareo anieo ny rànareo; tsy manan-tsigny za. Fa manomboka zao de ho aigny amin'ny Jentilisa za."7De niala teo izy avy eo ary nande nankaigny an-tranon'i Titosy Josto, leila ze manompo an'Andriamanitra. Ny tragnony de akekin'ny synagoga. 8Krispo, mpitarika ny synagoga, nino ny Tompo, niaraka tam'reo daôly ze nipetra tao amin'ny tragnony; ary betsaka tam'reo Korintiana ze nareigny ny momba an'zany no nino sy natao batisa.9Ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana ny alina hoe: "Aza matatra, ary aza mangina fa mitenena. 10Fa za momba an'nao, ary tsisy ôla hahazo hagnano ratsy an'nao, fa managna ôla betsaka am'ty tanàna ty Za." 11Nitôtra tao herintaona sy enim-bolana i Paoly ary nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo am'jareo.12Fa rafa lasa governoran'ny Akaia i Galio, de niara-nitsangana reo Jiosy hanohitra an'i Paoly ka nitondra an'azy teo agnatrehan'ny toeram-pitsarana; 13niteny izy reo hoe: "Io leila io de mandresy lahatra ny vahôka mba hanompo an'Andriamanitra ze mifanohitra amin'ny lalàna."14Ary raha hande hiteny Paoly, de niteny tamin'ny Jiosy i Galio hoe: "Anareo Jiosy, raha to ka resaka ra-dratsy na heloka zany, de mbola azo eritreretina ny fifampiraharahana aminareo." 15Fa hatrizay nisin'reo fagnontanena momba an'reo teny sy agnarana ary lalàna manokana reo, alaminonareo zany. Za tsy magniry ny ho mpitsara zany raharaha zany."16Fa Galio nandrôka an'azy reo hiala teo amin'ny fitsarana. 17Ka nisambotra an'i Sostena izy daôly, mpanapaka ny synagoga, ary nikapoka an'azy teo agnolôn'ny tôram-pitsaran. Fa Galio tsy niraharaha an'ze nataon'jareo.18Paoly, rafa avy nipetraka tao nandritry ny andro maromaro kokô, de nametraka an'reo rahala ka niodrana an-tsambo ho aigny Syria niaraka tamin'i Prisila sy Akolia. Talôn'ny niaingany teo amin'ny seranan-tsambo de nohetezany tao Kenkrea ny volony no le voady ze nataony. 19Rafa tonga taigny Efesosy zareo, de navelan'i Paoly teo i Prisila sy Akoila, fa izy tegnany niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tam'reo Jiosy.20Rafa nangtaka an'i Paoly mba hijanona ala ela izy reo, de nandà izy. 21Fa nandalo an'azy reo izy, niteny hoe: 'Mbola hiverigna aty za raha sitrapon'Andriamanitra zany." De niondrana an-tsambo niala takao Efesosy izy avy takeo.22Rafa nagnatso tao Kaisaria i Paoly, de niakatra izy ka niarahaba ny fiangonan'ny Jerosalema ary nidigna nankaigny Antioky avy akeo. 23Rafa avy nitôtra ora maromaro takao izy, de niainga i Paoly ka nitety reo faritr'i Galatia sy Frygia ary nankahery ny mpianatra daôly.24Ary nisy Jiosy raika nantsovina hoe Apolosy, teraka taigny Aleksandria, tonga takao Efesosy. Izy de nahay nanda-teny sady nalala tsara ny Soratra Masina. 25Apolosy de nampegnarina tamin'ny fampegnaran'ny Tompo. Mafatra-po amin'ny fagna, izy niteny sy nampianatra marina reo ra makasika an'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany. 26Apolosy nanomboka nitare am-pasahina tao amin'ny synagoga. Fa rafa nareigny an'azy i Prisila sy Akoila, de naka an'azy ho akeigny amin'ny sisiny ary nagnazava tamin'azy marina kokô ny lalan'Andriamanitra.27Rafa nagniry mba hamakivaky an'i Akaia izy, de nampahery an'azy reo rahala ary nagnoratra ho an'reo mpianatra tao Akaia mba handray an'azy. Rafa tonga izy, de nanampy betsaka reo ze nino tamin'ny fasoavana. 28Apolosy nanohitra mafy an'reo nampiseho tamin'ny alalan'ny Soratra Masina Fa Jesosy no Kristy.
Chapter 19

1Ary raha mbôla taigny Korinty i Apolosy, de nandalo tamin'ny firenena ambony i Paoly ary tonga takao amin'ny tanànan'ny Efesosy, ary natazagna mpianatra sasagny takao. 2Ozy Paoly tamin-jareo hoe: "nahazo ny Fanahy Masina ma anareo rafa nino?" Ozy zareo tamin'azy hoe: "Tsia, mbôla tsy naregny ny momba ny Fanahy Masina akory zahay"3Paoly nikoragna hoe: "Tao amin'ny ino ary zany no nagnanôvana batisa an'nareo?" Namaly zareo hoe: "Tao amin'ny batisan'i Jaona." 4Ka namaly Paoly hoe: "Jaona magnano batisa amin'ny batisan'ny fibebana. Nitare tamin'ny vahôka izy fa tokony hino le raika ze ho tonga afarany zareo, zany de, akao amin'i Jesosy."5Rafa naregny an'zany ny ôla, de natao batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy zareo. 6Avekeo rafa nametraka ny tagnany tamin-jareo i Paoly, de nilatsaka tamin-jareo ny Fanahy Masina ary niteny tamin'ny fiteny hafa sy naminagny zareo. 7Teo amin'ny rombefolo teo ho eo izy daôly.8Niditra takao amin'ny sinagoga i Paoly ary nikoragna am-pasahiana nandritry ny telo volana, nandresy lahatra sy nampanaiky an-jareo ny momba ny fanjakan'Andriamanitra. 9Fa rafa mafy fo sy tsy nankatoa reo Jiosy sasagny, de nagnomboka niteny ratsy ny Lalàna takeo agnolôn'ny vahôka zareo. Ka nilaozan'i Paoly zareo ary nentiny reo mpianatra, nandresy lahatra an-jareo isan'andro takao amin'ny efitragno fampianaran'i Tiraniana. 10Nitohy nandritry ny roa taona zany, ka ze daôly nipetraka takao Asia de naregny ny tenin'ny Tompo, ary reo Jiosy sy reo Grika.11Andriamanitra nagnano asa magaga tamin'ny alalan'i Paoly, 12ka na de reo mosoara sy aron'akanjo ze nikasika an'azy aza de natao tamin'ny marary ka sitrana ny aretin-jareo ary nivôka avy takao amin-jareo reo fagnahy ratsy.13Fa nisy Jiosy mpangala fagnahy ratsy nande taigny an-tôrana. Nagnantso ny agnaran'ny Tompo Jesosy zareo mbô hananan-jareo hery hanoerana ny fagnahy ratsy rafa niteny zareo hoe: "Amin'ny alalan'i Jesosy ze nambaran'i Paoly, mandidy an'nao za mbô hivôka." 14Ny mpisorognabe Jiosy mitondra ny agnarany hoe Skeva ary nanagn-janaka fito lahy no nagnano zany.15Nisy fagnahy ratsy namaly an-jareo hoe: "Fantatro Jesosy, ary fantatro Paoly; fa mba iza ma anareo?" 16Ny fagnahy ratsy takao am'le leila de nentôraka tam'reo mpagnala devoly ary nilefa avy takao am'le tragno niboridana sy naratra. 17Lasana fantatry ny daôly zany, sy reo Jiosy sy reo Jentilisa, ze nipetraka taigny Efesosy. Lasana natatra mafy zareo, ka ny agnaran'ny Tompo Jesosy de namem-boninatra.18Ary kô, betsaka tam'reo mpino no nagnatona sy nibebaka ary niaika reo ra ratsy ze vitan-jareo. 19Betsaka reo nilalao ody no niara-nitondra ny bokin-jareo sy nandoro zany takeo amason'ny tsiraikaraika. Rafa nagnisa ny tombam-bidin'reny zareo, de farantsa volafotsy dimy alina zany. 20Ka niparitaka fatratra tamin'ny fomba matanjaka ny tenin'ny Tompo.21Ary rafa navita ny asa fanompôny taigny Efesosy i Paoly, de nanapa-kevitra tamin'ny fagnahy izy mbô handalo an'i Makedonia sy Akaia taigny an-dalany mankaigny Jerosalema, ozy : "Rafa avy aigny za, de tsy maintsy mankaigny Roma iany kô." 22Paoly nandefa roey tam'reo manampy an'azy ho ankaigny Makedonia, i Timoty sy Erasto, ze nanampy an'azy. Fa izy tegnany nijanona fotôna foika taigny Asia.23Tam'zany fotôna zany taigny Efesosy de nisy fagnelingelenana lehibe mikasika ny Làlana. 24Fa nisy mpanefy volafotsy raika antsovina hoe Demetrio, ze nagnano ny sary sikotra volafotsin'i Diana, nampiditra vola be ho an'reo mpagnano asa-tagnana. 25Ka nangoniny niaraka reo leila miandraikitra an'io asa io ary nitare hoe: "Tompoko, fantatrao fa am'ty raharaha ty de mahazo vola be zahay.26Tazagnao sy regninao zany, tsy taigny Efesosy fôgna, fa saika magnerana an'i Asia ray manontolo, io Paoly io de nandresy lahatra sy nahataona ôla betsaka. Milaza izy fa tsisy andriamanitra vota amin'ny tagnana. 27Fa ny loza de tsy hoe ny varotsika fôgna no tsy ho ilaina tsony, fa ny tempolin'ny andriamanim-bavy lehibe Diana iany kô de azo heverina ho tsisy dikany. De mety ho very voninahitra izy avekeo, izy ze tompon'ny Asia daôly sy zao tontolo zao."28Rafa naregny an'zany zareo, de feno fasosena zareo ka nikikika mafy, nagnano hoe: "Lehibe i Diana an'i Efesiosy." 29Feno fifanjevona tanàna ray manontolo, ary niara-nifagnaretsaka ho akao amin'ny tragno fagnanôvana fampisehoana an-tsehatra ny vahôka. Vôsambotr'zareo reo mpiara-dia tamin'i Paoly, Gaio sy Aristarko, ze avy aigny Makedonia.30Te hiditra takao am'reo vahôka maro i Paoly, fa nosakanan'reo mpianatra izy. 31Ary iany kô, ny sasagny tam'reo manam-paefana takao amin'ny faritr'i Asia ze namany de nandefa hafatra nangataka an'azy mafy tsy hiditra akao amin'ny tragno fagnanôvana fampisehoana an-tsehatra. 32Ôla sasantsasagny no nikikika ra raika, ary ny an'ny sasagny hafa, satria takao agnaty fifanjevoana ny vahôka. Ny ankabeazan-jareo aza tsy mahafantatra akory hoe nagnino zareo no niara-tonga.33Ny sasagny tam'reo vahôka no nampafantatra an'i Aleksandra, ze natosik'reo vahôka ho aigny alô, ka nagnano fihetsika tamin'ny tagnany i Aleksandra, te hagnome fagnazavana ho an'reo ze nivory. 34Fa rafa nafantatra zareo fa Jiosy izy, de nikikika mafy tamin'ny feo raika izy daôly teo ho eo amin'ny adin'ny roa, nagnano hoe: "Lehibe ny Artemisin'ny Efesiana."35Rafa nampangina ny vahôka ny leben'ny tanàna, de niteny izy hoe: "Anao ôlon'ny Efesiosy, ôla iza no takeo ka tsy nafantatra fa ny tanànan'ny Efesiana de mpiambina ny tempolin'i Diana lehibe sy ny sar ze nilatsaka avy aigny an-dagnitra? 36Ary hita avekeo fa tsy azo lavina reo ra reo, de tokony hangina anareo ka tsy hagnano na ino na ino tsy am-peverana. 37Fa nentinareo aty amin'ny fitsarana reo leila reo ze sady tsy mpandroba tempoly no tsy mpiteny ratsy ny andriamanim-bavintsikana.38Noho zany, raha managna fiampangana manohitra ny tsiraikaraika i Demetrio sy reo mpagnano asa tagnana ze miaraka amin'azy, de misokatra reo fitsarana ary misy solontegna akao. Avekao zareo hifampiampanga. 39Fa raha mitady ra momba ny olana hafa anareo, de tokony hatsangana amin'ny fivoriana ara-dalàna zany. 40Fa ndrindra tsika de tandindomin-doza ho vômpanga mikasika an'io andron'ny tabataba io. Tsisy varany zany fikorontanana zany, ary tsy ho afaka hagnazava zany tsikana." 41Rafa nikoragna an'zany izy, de noravainy ny fivoriana.

Chapter 20

1Rafa tapitra ny tabataba, namory reo mpianatra i Paoly ary nampaery an'azy reo avy teo, nagnano veloma izy ary lasana nankaigny Makedonia. 2Rafa nande taigny am'reo faritra reo izy sy nagnano teny fankaherezana maro an'azy reo, de tonga taigny Gresia izy.3 Rafa avy nanangana telo volana tao izy, de nisy teti-dratsy noforonin'reo Jiosy hanoerana an'azy raha izy hande sambo ho aigny Syria igny, ka nanapakevitra ny hiverigna ho aigny Makedonia izy.4Nagnaraka an'azy hatraigny Asia lavitra aigny i Sopatera zanaka lahi'ni Pyro avy aigny Beria; Aristarko sy Sekondo, samy avy am'reo mpino Tesalonika; Gayo avy aigny Derbe; Tymoty, ary Tykiko sy Trofimo avy aigny Asia. 5Fa reo leilà reo de efa nialô an'nay ary nandigny an'nay taigny Troasy. 6Niondrrana sambo niala tao Filipy zahy tafaran'ny andro finanana mofo tsy masina; ary tao agnatin'ny dimy andro de tonga taigny am-jareo taigny Troasy zahay. Ary nipetraka tao zahay nadritra ny fito andro.7Tamin'ny andro vôlôny amin'ny herinandro; rafa niangona niaraka mba hanapaka ny mofo zahay, de nikoragna tam'reo mpino i Paoly. Izy de nikasa ny hande ny amaraignnan'igny, ka tsy nanohy koragna hatramin'ny sasak'alina izy. 8Nisy jiro maro tao amin'ny efitra agnambo ze natongavanay niaraka.9Teo amin'ny varavarankely no nipetra ty gaogna antsovina hoe: Eotika, ary de tegna tafandry teo. Raha nikoragna niaharitra i Paoly, io gaogna io de mbola nandry fogna, ary de latsaka avy taigny amin'ny rena fatelo ary nony natotra izy de hita fa maty. 10Fa i Paoly nidigna, nagninjitra ny tagnany, ary namina an'azy. Avy teo izy niteny hoa: "Aza malaelo, fa mbola tsy maty izy."11De niakatra ndre izy avy teo ary nanapaka ny mofo sy ninana. Rafa avy nikoragna ela tam-jareo hatramin'ny mangiran-dratsy izy, de nande. 12Nitondra le gaogna efa velona niverigna zareo avy tegna faly.13Tsika mitsy no nande nialô an'i Paoly tamin'ny sambo ary niondrana ho aigny Aso, fa aigny no irinay handraisana an'i Paoly. Zany no fagniriny atao, satria nagniry hande an-tanety izy. 14Rafa nihaogna taminay tao Aso izy, de nentinay tamin'ny sambo izy ka nankaigny Mitylena.15Avy teo niondrana sambo zahay ary tonga tandrifin'ny nosy Kio ny amaraigna. Ny andro magnaraka de nitody tao amin'ny tananan'i Mileto. 16Fa Paoly nanapa-kevitra ny hande sambo an'i Efesosy, mba tsy handeny fotôna ela aigny Asia izy, satria izy de maika ho aigny Jerosalema ny andron'ny Pentekosta, raha azony atao ny magnano an'zany.17Avy aigny Mileto no nandefasany lehibe ho aigny Efesosy ary nampiantso ny loholon'ny fengonana hankeo amin'azy. 18Rafa tonga tao amin'azy zareo, de niteny tam-jareo hoe: "Ny vatantegnanareo mafantatra, hatramin'ny andro vôlôny nagnitsaka an'i Asia, de nanakôry no nandaniako ny fotônako niaraka taminareo. 19Za de nanompo ny Tompo tamin'ny fagnetren-tegna sy ranomaso, ary tao agnaty fijalena no nitranga taminà zany nony tetidratsin'reo Jiosy. 20Anareo de mafantatra fa tsy nitana fangignana tamin'ny fagnambarana tam'nareo ze nahasoa za, sy ny fomba nampianarako an'nareo teo amason'ôla sy tamin'ny isan-tragno, 21nitsanganako vavaolombelona teo am'reo Jiosy sy reo Jentilisa momba ny fibebana amin'Andriamanitra sy ny finona akao amin'i Jesosy Tompontsika.22Ary am'zao fotôna zao, de ho aigny Jerosalema za, notiren'ny Fanahy Masina ka tsy haiko ze ahazo anà aigny, 23afa-tsy ze lazain'ny Fanahy Masina anà isaky ny tanana am'reo famatorana ny fijalena ze mandigny anà. 24Fa za de tsy mievitra ny fiaignako hoe sarobidy, raha tsy efa navita ny fiazakazako sy ny asa fanompôko ze noraisiko avy tamin'i Jesosy Tompo, hitory ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.25Ary am'zao fotôna zao, fantatro fa anareo daôly, ze nagnambarako ny fanjakana, no tsy hahita anà tsony. 26No zany de ambarako aminareo amin'ty andro ty, fa za de tsy manan-tsiny amin'ny ràn'ny ôla. 27Fa tsy nasitriko taminareo ny fagnambarana ny sitrapon'Andriamanitra. daôly.28No zany de tandremo ny momba ny tegnanareo, sy momba an'reo ondry ze nampiandraiketin'ny Fanahy Masina an'nareo. Mitandrema amin'ny mpiandry ondrin'ny fengonan'Andriamanitra, ze novidiny tamin'ny ràny manokana. (Fagnamarina: "Tamin'ny ràny manokana" ny amin'ny antontan-taratasy manokana talô de mivaky hoe: "Tamin'ny ràn'ny zanaka là manokana.") 29Fantatro fa afaran'ny fandianako, de ho avy akeo aminareo reo ambôdia maseka ary tsy hitsitsy an'reo ondry. 30Fantatro fa na de avy aminareo aza de hisy ôla ho avy ary hagnova ny marina mba hitarika reo mpiantra hagnaraka an'azy reo.31Koa mitandrema. Tsarovy fa nandritra ny telo taona za no tsy nijanona nampianatra ny tsiraikaraika avy aminareo andro aman'alina tamin'ny ranomaso. 32Am'zao fotôna zao de ankigniko amin'Andriamanitra sy amin'ny tenin'ny fasoavany nareo, ze afaka manangana sy magnome an'nareo ny lova akeo am'reo ze namasinina.33Tsy nagniry volafotsy, volamena, na lamban'ôla za. 34Ny vatantegnanareo no nafantatra fa reto tagnako reto no nazahôko nilaiko ary reo nilain'reo ze niaraka tamianà.35 Tamin'ny ra-daôly no nagnomezako ohatra an'nareo ny fomba tokony hagnampenareo reo malemy amin'ny alalan'ny asa, ary ny fomba hitadidinareo reo tenin'i Tompo Jesosy, de teny ze nolozainy hoe: "Mahasambatra koko ny magnome no ny mandray."36Rafa avy niteny an'zany izy, de nedongalika ary niara-nivavaka tamin'izy daôly. 37Nisy fitomagnena be teo ary naminà an'i Paoly sy nagnoroka an'azy zareo.38 Nalaelo ny maro tam-jareo tam-ze notaraviny hoe: "Tsy hahita anà ntsony anareo. Avy teo de nagnatitra an'azy taigny amin'ny sambo zareo.
Chapter 21

1Rafa niala takeo amin-jareo zahay de niantsambo, ary nizotra lala-mahitsy nankaigny amin'ny tanànan'i Kosy, nankaigny amin'ny tanànan'i Roda ny andro magnaraka, ary avy takao de nankaigny amin'ny tanànan'i Patara. 2Rafa natazagna sambo nempita nankaigny Foinika zahay, de niditra takao zahay ka niantsambo.3Rafa avy nahita an'i kyprosy, de namela zany taigny ampitan'ny sambo, niantsambo ho aigny Syrua zahay ary niantsogna takao Tyro, tôrana ze namoan'reo tantsambo ny entana takao agnaty sambo. 4Raha vô natazagna an'reo mpianatra zahay, de nijagnona taigny nandritra ny fito andro. Tamin'ny alalanny Fanahy de nandresy latra an'i Paoly hatraigny zareo mbô tsy hande ho aigny Jeroalema.5Rafa tapitra ny andronay taigny, de niala takao zahay ka nande tamin'ny làlanay, ary izy daôly, niaraka tam'reo vady aman-jagnany, nagnaraka nivôka takao amin'ny tanàna. Ary nandohalika taigny amoron-dragnomasina de nivavaka 6ary nifagnano veloma. De niditra takao an-tsambo zahay, ary zareo niverigna taigny an-tragnony.7Rafa vitanay ny de taigny Tyro, de tonga taigny Ptolemaisy zahay. Taigny de naifanena tam'reo ralà ary nijagnona ray andro niaraka tamin-jareo. 8Ny amaraigna de niala takao zahay ary nande taigny Sezarea. Niditra ny tragnon'i Filipo tsika, evanjelista, ze raika tam'reo fito, ary nijagnona niaraka tamin'azy zahay. 9Am'zao fotôna zao io leila io de nanan-janaka vavy virijiny efatra ze naminagny.10Rafa nijagnona takao nandritran'ny andro maromaro zahay, de nisy mpaminagny raika nidigna avy taigny Jodia nantsôvigna hoe Agabo. 11Nagnatona an'nay ary niaka ny fekibon'i Paoly izy. Tamin'igny no namatorany ny tongony sy ny tagnany ary nitare hoe: "Ozy ny Fanahy Masina, 'de ho ôtran'zao no hamatoran'reo Jiosy aigny Jerosalema ny leila ze tompon'ty fekibo ty, ary hagnolotra an'azy akeo an-tànan'reo Jentilisa."12rafa naregny an'zany ra zany zahay, de zahay sy reo ôla nipetraka takao amin'io tôrana io de nengavy tamin'i Paoly tsy hiakatra ho aigny Jerosalema. 13Ary namaly i Paoly nagnano hoe: "Ino no ataonareo, mampitomagny sy mindratra ny foko? Za efa vognona, tsy ny hoe hofatorana fôgnany, fa ny ho foaty aigny Jerosalema iany kô amin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy." 14Satria tsy nagniry ny horesen-datra i Paoly, de nijagnona nanandrana zahay ary nitare hoe: "Ôka ho tanteraka ny sitrapon'ny Tompo."15Tafaran'reo andro reo, de nitondra ny kitaponay zahay ka niakatra nankaigny Jeroalema. 16De nisy reo mpianatra sasagny iany kô avy aigny Sezareaa nagnaraka an'nay. Nitondra leila raika niaraka tamin-jareo ze antsovigna hoe Menasona, leila avy aigny Sipra, mpianatra mainty molaly, ze tokony hiaranay mipetraka.17Rafa tonga taigny Jerosalema zahay, de nandray an'nay am-pifalena reo ralà. 18Ny amaraigna de nagnaraka an'nay i Paoly ho aigny amin'i Jakoba, ary takeo daôly reo lôhôla. 19Rafa avy niarahaba an-jareo izy, de nitatitra tsiraikaraika reo ra daôly ze efa nataon'Andriamanitra tam'reo Jentilisa tamin'ny alalan'ny asa fagnompôny.20Rafa naregny an'zany zareo, de nidera an'Andriamanitra, ary nitare tamin'azy hoe: "Hitanao, ry ralà, agn'arivony firy no nino tam'reo Jiosy. Tapa-kevitra izy daôly hitandrina ny lalàna. 21Efa nolazain-jareo ny momba an'nao, fa anao de mampianatra reo Jiosy daôly ze mipetraka akeo am'reo Jentilisa hahafoy an'i Misesy, ary anao milaza an-jareo tsy hamora ny zagnany, ary tsy hagnaraka ny fomba talô.22Ino ma no tokony hataontsikana? Ho regnin-jareo tokoa fa tonga anao. 23Ka ataovy ze lazainay an'nao. Managna leila efatra ze nagnano voady zahay. 24Ento reo leila reo ary diovy miaraka amin-jareo ny tegnanareo, ary aloavy reo fandanian-jareo, mbô hagnaratra ny lôny zareo. Ka ho fantatry ny ôla daôly fa reo ra ze nolazaina momba an'nareo de diso. Ho fantatr'zareo fa anao de magnaraka lalàna kô.25Fa mikasika an'reo Jentilisa ze nino, zahay de nagnoratra sy nagnome torolalana fa tokony hitandrina ny tegnany amin'ny ra vita sorogna ho an'ny sampy zareo, avy amin'ny rà, avy am'ze nokedaina, sy avy amin'ny fijangajangana. 26Avekeo de nalain'i Paoly reo leila, ary ny amaraigna, izy nagnadio ny tegnany niaraka tamin-jareo, niditra takao an-tempoly, nagnambara ny vanim-potônan'ny andron'ny fagnadiovana, mandra-pagnatitra ny fagnatitra ho an'ny ôla tsiraikaraika tamin-jareo.27Rafa ho tapitra reo andro fito, reo Jiosy sasantsasagny avy agny Asia, natazagna an'i Paoly takao an-tempoly, nampikorontana reo vahôka manontolo, ary nisambotra an'azy. 28Nitabataba zareo hoe: "Ry ôlon'Israely, ampeo zahay." Io le leila ze nampianatra ny ôla daôly hatraiza hatraiza reo ra ze magnohitra ny ôla, ny lalàna, ary ty tôrana ty. Fanamin'zany, nitondra Grika tao an-tempoly iany kô izy ary nandoto an'ty tôrana masina ty." 29Fa zareo teo alô natazagna an'i Trofima ze Efezianina niaraka tamin'azy takao an-tanàna, ary nieritreritra zareo fa i Paoly no nitondra an'azy takao an-tempoly.30Nisavoritaka ny tanàna daôly, ary niaraka niazakazaka sy nisambotra an'i Paoly ny ôla. Nisintona an'azy hivôka akao amin'ny tempoly zareo, de nakatona teo no ho eo ny varavaragna. 31Raha teo am-pamonôna an'azy zareo, de nisy vaovao tonga taigny amin'ny kapitenin'ny mpiambina fa mikorontana avokoa Jerosalema ray manontolo.32Avy hatraigny de niaka miaramila sy kapiteny izy ary nihazakazaka nidigna nankaigny am'reo vahôka. Rafa natazagna ny kapiteny sy reo miatamila ny vahôka, de nijanona nitaroka an'i Paoly zareo. 33De nagnantona le kapiteny ary nisambotra an'i Paoly, ary nasainy nofatorana tamin'ny rojo vy roey izy. De nagnontany izy hoe iza ma izy ary ino no nataony.34Ny sasagny tam'reo vahôka nitabataba ra raika ary reo hafa ra hafa. Satria tsy afaka nikoragna na ino na ino ny kapiteny noho ny tabataba daôly, de nasainy nentina ho aigny amin'ny rova i Paoly. 35Rafa tonga takeo amin'ny tôtra izy, de nentin'reo miaramila izy noho ny herisetran'ny vahôka. 36Fa nagnaraka takao afara ny vahôka betsaka ary nanohy nihorakoraka hoe: "Vonio izy."37Raha igny ho entina takao agnaty rova igny i Paoly, de ozy tamin'ny kapiteny: "Afaka mitare ra aminao ma za?" Ozy le kapiteny hoe: "Miteny Grika ma anao? 38Tsy anao ma le Egyptiana, ze nitarika fikomiana taigny alô ary nitarika reo efatra arivo lahy an'ny 'mpamono ôla' nivôka avy taigny an-tany efitra?"39I Paoly de nitare hoe: "Za de Jiosy, avy aigny amin'ny tanànan'i Tarsosy aigny Kilikia. Za de oôlom-pirenen'ny tanàna manan-danja. Mangataka aminao za, avilao za hikoragna amin'ny ôla." 40Rafa namela an'azy hikoragna le kapiteny, de nitsangana takeo amin'ny tôtra i Paoly ary nagnano fietsika tamin'ny tànany atamin'ny vahôka. Rafa nisy fanginana lalina, de niresaka tamin-jareo tamin'ny fiteny Hebreo izy. Ozy:

Chapter 22

1"Ry rahalà sy ray, tandrigneso ny fiarovako ze ataoko aminareo am-zao." 2Rafa nareigny an'i Paoly nitare tam'teny Hebreo reo vahôka, de nanjary nangina izy reo. Ozy izy hoe:3"Jiosy za, teraka taigny Tarsosy aigny Kilikia, fa nitazaina teto am'ty tanàna ty teo am'tongotr'i Gamaliela. Nampenarina araka ny fomba hentitry ny lalàn'reo razantsika za. Tena mafana fo ho an'Andriamanitra za, salan'nareo daôly am-zao andro zao. 4Nagnenjika io Làlana io ho am'fafatesana za, namatotra sy nanolotra an'jareo ho atao an-trano maizina na ny leilà na ny vevavy, 5ary ny mpisorogna be sy reo loholona daôly afaka mijoro vavolombelona. Naharay taratasy aigny Damaskosy, ary nandeha nankaigny nitondra an'jareo niverigna mbola mifatotra hankaigny jerosalema mba hagnasazina an'azy reo.6Zao no nitranga rafa nande ary nanakaiky an'ny Damaskosy za, ary tamin'ny jirin'andro teo ho eo de nisy hazavana leibe avy aigny an-dagnitra nanomboka namirapiratra nagnodidigna anà. 7Lavo tam'tany za ary nahareigny feo nitare taminà hoe: "Saoly, Saoly, nagnino enao no magnenjika Anà?"8 Namaly za hoe: 'Iza ma enao Tompoko?' Niteny taminà Izy hoe: "Zà no Jesosin'ny Nazareta, ze enjenao io."9Reo ze niaraka taminà de nahita ny hazavana, fa izy reo de ts nafantatra le feony ze nitare taminà.10 Ozy zà hoe: "Ino no tokony ataoko, Tompoko?" Ny Tompo niteny taminà hoe: "Mitsangàna ary midira aigny Damaskosy; aigny no hanambarana an'nao ny ra-daôly ze tokony hataonao." 11Tsy nahita non'ny famirapiratan'zany fazavana zany zà, ary notantanan'reo ze niaraka taminà, ka de tonga taigny Damaskosy zà.12Nifagnetry tam'leilà raika nantsovina hoe: Ananiasy taigny zà, leilà matatra an'Andriamanitra nagnaraka ny lalàna ary tsara laza teo am'reo Jiosy daôly ze nipetrak tao. 13Nagnatogna anà izy, nitsangana takeo ankilako, ary nitare hoe: 'Ry rahalà Saoly, mahirata.' Tam-zany ora zany indrindra de nahita an'azy zà.14Ary niteny izy hoe: 'Ny Andriamanitr'reo razantsika de nifidy an'nao mba hahalala ny sitrapony, mba hahita ny Ray Marina, ary hahareigny ny feo avôkan'ny vavany. 15Fa ho vavolombelona ho an'Azy am'ôla daôly momba an'ze hitanao sy reigninao enao. 16Ary magnino enao no miandry? Mitsangàna, ôka ho atao batisa, ary diovy reo fahotanao, mentsova ny agnarany."17Rafa avy niverigna taigny Jerosalema za, ary raha mbola nivavaka takao an-tempoly, de nahazo tsindrimandry zà. 18Nahita an'Azy zà niteny taminà hoe: 'Malaky mialà an'i Jerosalema haingana, satria izy reo tsy hagneky ny fijoroanao vavolombelona momba Anà.'19Ozy zà: 'Tompo, izy reo tegnany de mafantatra fa za nagnagadra sy nikapoka reo ze nino an'Nao takao am'synagoga daôly. 20Rafa nalatsaka ny ràn'i Stefana vavolombelonao, za kô de mba nitsangana teo sy nagneiky, ary niambina ny fitafian'reo ze namono an'azy zà.' 21Fa niteny taminà Izy hoe: 'Mandana, satria halefako lavitra an'reo Jentilisa enao.'22Nihaino an'azy jareo mandra-pitaraviny an'zany. De nikika mafy jareo niteny hoe: "Vonoy hiala aketo am'tany ny leilà salan'io, satria tsy mendriky ny ho velona izy."23 Raha nitabataba jareo, nanipy ny akanjony, ary nanipy vovoka tam'rivotra, 24ny leiben'ny kapiteny de nandidy an'i Paoly mba ho ndrsina any am'lapa. Izy nandidy fa tokony hagnontanena miaraka am'kapoka izy, ka mba izy tegnany de halala hoe nagnino zareo no nikikika nanoitra an'azy ôtran'zany.25Rafa namatotra an'azy tam'tady hoditra zareo, de ozy Paoly tam'le kapiteny ze nitsangana teo: "Ara-dalàna ho an'nareo ma ny manakaravasy leilà ze Romana sy tsy mbola notsaraina akory?" 26Rafa nareigny zany le kapiteny, de nankaigny am'leiben'ny kapiteny izy ka nilaza an'azy, niteny hoe: "Ino zao ataonao zao? Fa mponin'ny Romana io leilà io."27Nagnatogna le leiben'ny kapiteny ary niteny taminazy hoe: "Teneno za, mponina Romana ma enao?" Paoly namaly an'azy hoe: "Eny." 28Ary namaly le leiben'ny kapiteny hoe: "Tam'vola be fogna no nazahôko io zom-pirenena io. Fa Paoly niteny hoe: "Nateraka ho mponin'ny Romana za." 29Ary nandaosa an'azy teo no ho eo le leilà ze nametra-panontaniana an'azy. Natatra iany kô le leiben'ny kapiteny, rafa fantany fa mponina Romana i Paoly, satria izy namatotra an'azy.30Ny amaraignan'io, de te hafantatra ny marina momba reo fagnendrikendrehan'reo Jiosy nanoitra an'i Paoly ny leiben'ny kapiteny. Ka novahany reo fatotra ary nibaiko an'reo mpisorona be sy reo filan-kevitra daôly mba hivory izy. Ary nitondra an'i Paoly nidina izy ary nametraka an'azy takeo ampovôn'jareo.
Chapter 23

1I Petera de nizaha nivantana taigny am'reo mpikambana takoa amin'ny filan-kevitra ary nitare hoe: "Ry rahala, za de efa niaigna teo agnatrehan'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara daôly mandraki-gniany." 2Ny mpisorombe Ananiasy de nibaiko an'reo ze nitsangana teo akekiny mba hamelezana ny vavany. 3Avy akeo i Paoly nitare an'azy hoe: "Andriamanitra de hikapoka an'nao, enao ry rindrigna vôlalotra fotsy. Enao ma de mipetraka hitsara anà amin'ny lalàna, nefa mandidy anà mba ho tarona, tsy araka ny lalàna?4Ireo ze nitsagana takeo de nitare hoe: 'Zao ma ny fomba hanivativanareo ny mpisoromben'Andriamanitra?"5 I Paoly namaly hoe: 'Tsy nafantatra za ry rahala, faizy ny leiben'ny mpisorombe. Fa efa vôsoratra hoe: Tsy tokony hitare ratsy ny mpitondra ny vahôkano enao."6Ary rafa hitan'i Paoly fa ny sasagny tamin'reo filan-kevitra de Sadoseo ary ny hafa Fariseo, de nitare mafy takao amin'ny filan-kevitra izy hoe: "Ry rahala, za de Fariseo zanaka lahin'reo Fariseo. Zany no izy satria za de magnantegna tsara ny fitsanganan'ny maty ze hitsarana anà." 7Rafa nitare an'zany izy, de nanomboka nisy fifandirana teo amin'reo Fariseo sy reo Sadoseo, ary ny vahôka de nizara. 8Fa reo Sadoseo de nitare fa tsisy ny fitsanganana amin'ny maty, tsisy reo anjely, ary tsisy reo fagna, nefa reo Fariseo de nagneky an'izy daôly reo.9Noho zany de nisy fitabatabana mafy nitranga, ary ny sasagny tam'reo mpanora-dalàna'reo Fariseo de nitsangana ary niady hevitra, niteny hoe: "Zay de tsy matazagna ra diso amin'io leila io. Ahôna raha ny fagna na ny anjely no niresaka tamin'azy?" 10Nony nisy fifandirana mafy teo, ny kapiteny mpitarika de natatra sao de hifandrotehan'jareo i Paoly, noho zany izy de nandidy reo miaramila hidigna sy haka an'azy an-keriny aigny amin'reo mpikambana akao amin'ny filan-kevitra, ary hitondra an'azy aigny an-dapa.11Ary de nitsangana takeo agnilany ny Tompo tamin'io alinaio ka nitare hoe: "Aza matatra, fa salan'ny nijoroanao vavolombelona momba anà taigny Jerosalema, no tsy maintsy hijoronao vavolombelona aigny Roma kô."12Ary Rafa keka ny andro, de niray tetika ny Jiosy sasagny de namorona tetika ary nagnozona ny tenan'izy reo miarak amin'ny fianaianana mba tsy hinana na hisotro na ino na ino ambara-pamonôn'jareo an'i Paoly.13 Mihôtra ny efapolo ôla izy reo ze namorona io tetika io.14Zareo de nande taigny am'reo mpisorombe sy reo loholona ka nitare hoe: "Zay de efa nagnano fagnozonana leilbe tamin'ny tegnanay, mba hinana na ino na ino ambara-pamonônay an'i Paoly. 15Am'zao, noho zany, avelao ny filan-kevitra hiteny amin'ny kapiteny mpitarika mba hitondra an'azy hidigna aketo aminareo, ary nareo ôtran'ny hoe hanapa-kevitra amin'ny ra-misy momba an'azy marina kokô. Fa no an'nay, zahay de vonona ny hamono an'azy alohan'ny fatogavany aketo."16Nefa ny zanaka lahin'ny anabavin'i Paoly de nareigny fa teo am-pandignesana ny hamonoana an'azy izy reo, no zany izy de nande ary niditra ny lapa ka nitare tamin'i Paoly. 17I Paoly de nagnantso ny raika tam'reo kapiteny ka nitare hoe: Ento aigny amin'ny kapiteny mpitarika ty gaogna ty, fa managna ra lazaina amin'azy izy."18No zany le kapiteny de nandray an'le gaogna ary nitondra an'azy taigny amin'ny kapiteny mpitarika ka niteny hoe: "I Paolyle gadra no nagnantso anà ho aigny amin'azy, ary nangataka anà mba hitondra an'ty gaogna ty ho aketo aminao. Managna ra ho lazaina aminao izy." 19Ny kapiteny mpitarika de naka an'azy tamin'ny tanàna ho aigny amin'ny toerana mitokana ary nagnontany an'azy hoe: 'Ino zany tokony ho lazainao aminà zany?"20Le gaogna niteny hoe: "Reo Jiosy de efa naneky ny hangataka aminao mba hitondra an'i Paoly hidigna aigny amin'ny filan-kevitra rampitso, ôtran'ny hoe izy reo de hande hagnontany ny momba an'azy marina kokô.21 Nefa aza maneky an'azy reo, satria nisy ôla mihôtra ny efapolo ze efa vonona ny hamono an'azy. Nagnantso ozona ho an'ny tegnany zereo, mba tsy hinana na hisotro ambara-pamonoan'jareo. Fa na de zao aza de efa vonona izy reo, ary mandigny ny fagnekena avy aigny aminao."22Ka navelan'i le kapiteny mpifehy hande le gaogna, tafaran'ny nanoroany hevitra an'azy hoe: "Aza mitare na am'izy na am'iza hoe niteny reo ra reo taminà enao." 23Avy akeo izy de nagnantso rolahy tam'reo kapiteny ankeo amin'azy ka nitaraviny hoe: 'Alao ny miaramila roanjato za efa vognona ny ande aigny Kaisaria, sy mpitikin-tsôvaly fitopolo kô, ary mpitondra sabô rônjato, ary gniany alina amin'ny ora fatelo anao no mande." 24Izy kô de nandidy an'azy reo mba hagnome biby raika hotikinan'i Paoly hitondra an'azy ho tonga sô aman-tsara aigny amin'i Feliksa le Governora.25Avy takeo de nanoratra taratasy salan'zao izy:26 "Klaodio Lisia ho an'i Feliksa governora tsara lôtra, arahaba. 27Io leila io de nosamborin'reo Jiosy ary saika novonon-jareo, rafa tonga takeo amin-jareo niaraka tamin'reo miaramila za de nagnavotra an'azy, satria nafantatra za fa izy de mizaka ny zom-pirenena Romana.28Za de te hafantatra ny antony nempangan-jareo an'azy, no zany de nentiko nidigna takao amin'ny filan-kevitry ny zareo izy. 29Nafantatra za fa vôpanga tamin'ny adi-hevitra mikasika ny lalàn-jareo manokana izy, kanefa tsisy fagnendrikendrena nanohitra an'azy ze mendrika fafatesana na fagnagadrana. 30Avy takeo de nampafantarina anà fa misy tetika hanoherana an'le leila, no zany de nandefa an'azy teo no eo taigny aminao za, ary nagnafatra an'reo mpagnedrikendrika an'azy mba hitondra porofo fagnamelohana an'azy ankeo agnatrehanao zareo. Veloma."31De nagneiky ny baiko reo miaramila. Ary nalain'jareo i Paoly ka nentiny tamin'igny alina igny ho aigny Antipatria. 32Ny amaraignan'igny, ny ankamaroan'reo miaramila de nandaosa an'reo mpitikin-tsovaly mba ande hiaraka amin'azy fa zareo de niverigna taigny an-dapa. 33Rafa tonga taigny Kaisaria re mpitikin-tsovaly ka nanolotra taratasy hoan'i Governora, de nanolotra an'i Paoly tamin'azy kô.34Rafa namaky ny taratasy ny governora, de nagnotany ny faritany ze niaven'i Paoly izy. Ary rafa fantany fa avy aigny Klikia izy, 35de nitare hoe: "Za de hareigny tanteraka an'nao rafa tonga aketo reo mpiampanga an'nao." De nasainy nitanana takao amin'ny foiben'ny fanjakan'i Heroda izy.
Chapter 24

1Tafaran'ny dimy andro, Ananiasy le mpisorogna be, reo lôholona sasagny, ary mpikabary antsovina hoe Tertylo de nande taigny. Reo leila reo de nitondra fiampangana an'i Paoly takeo agnolôn'ny governora. 2Rafa nitsangana takeo agnolôn'ny governora i Paoly, de nanomboka niampanga an'azy i Tertylo ka nitare tamin'ny governora hoe: "Noho anao de managna fiadanana gedabe zahay, ary ny fahitanao de mitondra fagnovana tsara akeo amin'ny firenenay; 3ka am-pankasitrahana tanteraka no handraisanay ny ra daôly ze ataonao, ry Feliksa tsara ndrindra.4Mbô tsy hitanako an'nareo ela lôtra, de mangataka fotôna vetika aminareo za mbô hitaino anà am-pitonena. 5Fa io leila io de tazagnay fa mpagnakotaba ary raika ze nitazika ny Jiosy daôly manerana zao tontolo zao hikomy. Izy no mpitarika sekta Nazarena. 6Ary izy iany kô no niezaka ny handoto ny tempoly, ka de nosamborinay izy. (Fagnamarihana: Reo antontan-taratasy talô de nagnampy hoe: "Tenay ho tsaraina araka ny lalàna izy.")7(Fagnamarihana: "Reo antontan-taratasy talô de ahitana akao amin'ny andininy faha fito 7 hoe: "Fa Lysia, mpiandraikitra, tonga ary niaka an'azy an-keriny takeo an-tagnanay.") 8Rafa magnontany an'i Paoly mikasika regny ra daôly regny anao, de ho fantatrao ny mikasika regny fiampangana nataonay momba an'azy regny." (Fagnamarihana: Reo antontan-taratasy talô de nagnampy akao amin'ny tapagny vôlôny amin'ny andinin'ny faha vaol 8 hoe: "Nandefa an'nay takeo aminao.") 9Reo Jiosy iany kô de nagnampy trotraka regny fiampangana regny ary nagnamafy fa marina avokô regny.10Fa rafa notondron'ny mpanapaka hitare i Paoly, de namaly Paoly hoe: "Fantatro fa anao de efa mpitsara taketo am'ty firenena ty nandritry ny taona maro, ka de faly ny tegnako magnazava aminao. 11Ho fantatrao fa tsy mbôla mihôtra ny rombefolo andro zay no niakarako nidera taigny Jerosalema. 12Rafa tazagn-jareo takao an-tempoly za, de tsy niady hevitra na tamin'iza na tamin'iza za, ary tsy namporisika ny vahôka, na tao am'reo synagoga, na tao an-tanàna. 13Tsy afaka magnaporofo aminao reo fiampangana ze ataony aminà am'zao fotôna zao zareo.14Saingy za magneky zao aminao, araka ny fampianarana ze antsovin-jareo hoe sekta, de ôtran'zany kô no hanompoko ny Andriamanitry ny razambetsika. Za de mahatoky amin'ny daôly ze akao amin'ny lalàna sy reo vôsoratr'reo mpaminagny. 15Managna ny fatokisana an'Andriamanitra ôtran'reo ôla reo za, fa hisy ny fitsanganan'ny marina sy ny ratsy fagnahy amin'ny maty. 16Noho zany za de miezaka mandrakariva mbô hanagna fisaignana madio akeo agnatrehan'Andriamanitra sy ny ôlombelona.17Ary tafaran'ny taona maro de tonga za hitondra fagnampena ho an'ny fireneko sy fagnomezana ara-bola. 18Rafa vitako zany, nisy Jiosy vitsivitsy avy aigny Asia natazagna anà taigny amin'ny fetin'ny fagnadiovana takao amin'ny tempoly, tsy niaraka tamin'ny vahôka na tabataba. 19Reo ôla reo de tokony ho akeo agnatrehanareo am'zao fotôna zao ka hitare ze hiampangan-jareo anà, raha managna ra zareo.20Na kô, reo ôla reo iany no tsy tokony hitare ze tazagn-jareo tsy manjary aty aminà rafa nitsangana takeo agnolôn'ny filan-kevitry ny Jiosy za, 21raha tsy hoe momba ny ra raika ze nilelalelako rafa nitsangana takeo anivon-jareo za: 'Zany de mikasika ny fitsanganan'ny maty ze hitsara anà aketo agnatrehanareo gniany.'22Ary Feliksa, ze nampafantarina tsara momba le fampenarana. Izy de nitare hoe: "Rafa misigna avy akaigny Jerosalema i Lysia mpandidy, de hagnapa-kevitra ny amin'ny raharahanao za." 23Avekeo izy nandidy le kapiteny fa i Paoly de tokony hembesana, fa mbô hisy fahafahana de tsisy am'reo namany ho sakanana amin'ny fanampena ze ra ilainy.24Andro vitsivitsy tafaran'zany, de niverigna niaraka tamin'i Drosila vadiny i Feliksa, ze vevavy Jiosy, ka nalefa ho an'i Paoly izy ary naheno tamin'azy ny momba ny finoana akao amin'i Kristy Jesosy. 25Fa rafa niady hevitra niaraka tamin'azy i Paoly momba ny fahamarinana, fahononan-tegna, sy ny fitsarana ho avy, de lasa raiki(tatra i Feliksa ka nitare hoe: "Mandehana manomboka zao. Fa rafa managna fahafana za afarafara akao, de handefa ho an'nao."26Nandritran'zany fotôna zany iany, de nagnentagna izy fa hagnome vola an'azy i Paoly, hono zany de nandefa ho an'azy matetika izy ary nikoragna tamin'azy. 27Fa rafa afaka roa taona, de lasana governora nandimby an'i Feliksa i Porsio Festosy, saingy Feliksa te hahazo sitraka tam'reo Jiosy, de navelany ho hambesana fôgna i Paoly.

Chapter 25

1Am'zao fotôna zao, Festony niditra tao amin'ny faritany ary telo andro taty afara, de niakatra avy tao Kaisaria izy ho aigny Jerosalema. 2Ny loham-pisorogna sy reo Jiosy manan-kaja de nitondra fagnamelôna hiampangana an'i Paoly, ka namporisika an'azy sy nangataka tamin'azy zareo mba hampidi-doza an'i Paoly - ka naporisika an'azy3 sy nangataka tamin'azy zareo mba hampidi-doza an'i Paoly ka hagnantso an'i Paoly ho aigny an-dalana.4Kanefa Festosy namaly fa gadra akao Kaisaria i Paoly, ary izy de hiverigna aigny tsy ela. 5"No zany, reo ze afaka," ozy izy de tokony hande hiaraka aminay ho aigny. Raha nagnano raha tsy nanjary le leila, de tokony hiampanga an'azy anareo.6Festosy de tsy nijanona nihôtra ny valo na folo andro ary avy teo de nidigna nankaigny Kaisaria, ary ny andro magnaraka de nipetraka teo amin'ny fitoeran'ny fitsarana izy ary nandidy an'i Paoly mba entina aigny amin'azy. 7Rafa tonga izy, de nipetraka teo ankeky teo reo Jiosy avy aigny Jerosalema, ary nitondra fempangana maro tsisy porofo zareo. 8Niaro tegna Paoly ary niteny hoe: "Tsy nagnano raha ratsy manoitra ny lalan'ny Jiosy zany za na manoitra ny Tempoly na manoitra an'i Kaisara."9Nefa nikaraka ze azahôna sitraka amin'ny Jiosy i Festosy, ary no zany de namaly an'i Paoly izy ka niteny heo: "Te hiakatra ho aigny Jerosalema ma enao ary ho tsaraiko momba an'regny ra taigny regny? 10Ozy Paoly hoe: "Mitsangana aketo agnolônan'ny seza fitsaran'i Kaisara za ze tsy maintsy hitsarana anà. Tsy nagnano ratsy ny Jiosy za, araka ze efa fantatrao tsara.11Kanefa raha nagnano ratsy za ary raha nagnano ze tokony hafaty anà, de tsy mandà ny ho faty. Fa raha tsy misy reo fempangan'jareo, de tsy misy ôla afaka mitondra anà ho aigny am'jareo. Mangataka an'i Kaisara za. 12Rafa avy nikoragna tam-pitsara Festosy, de namaly izy hoe: "Nangataka an'i Kaisara enao. Aigny am'i Kaisara no handehanananao.13Ary tafaran'ny andro vitsy, de tonga taigny am'i Kaisaria i Agripa mpanjaka ny Berenika mba hamangy an'i Festosy. 14Tafaran'ny natao an'azy nandritra ny andro maro, de natolotr'i Festosy teo amin'ny mpanjaka ny raharahan'i Paoly; niteny izy hoe: "Nisy leila raika navelan'i Felix aty salan'ny gadra. 15Rafa taigny Jerosalema za, de nitondra fempangana an'ty leila ty taty aminà reo lohan'ny mpisorogna sy reo loholon'ny Jiosy, ary nangatka teny fagnamelô,a an'azy zareo. 16Namaly an'jareo za fa tsy fomban'ny Romana ny manolotra ôla melôn'ny hifagnatren'reo mpiampanga an'azy sy anagnny ferovan-tegna am'reo fempangana.17No zany, rafa niara-tonga teto zareo, de tsy nandigny za fa ny andro magnaraka de nipetraka teo amin'ny seza fitsarana za ary nasaiko nampidirina le leila.18 Rafa nitsanga teo reo mpitory ka nagnameloka an'azy, de hitaka fa tsy de mavesatra ny fempangana nentin'jareo ho an'azy. 19Fa kosany, nifamly zareo mikasika ny fivavan'jareo sy ny momba an'zany Jesosy ze maty zany, nefa lazain'i Paoly fa velona ndre. 20Tsy azo antoka ny fomba agnadiadina an'ty raharaha ty, ary no zany de nagnontaneko izy raha vognona ho aigny Jerosalema mba ho tsaraina aigny mikasika an'reo fempangana reo.21Fa refa nangataka ny hijanona akao am-ponja mba handigny ny fanapan-kevitry ny Amperora i Paoly, de nandidy an'azy za mba ho tazomina akao am-ponja izy mandra-pandefasako an'azy aigny am'i Kaisara.22 Agripa niresaka tam'i Festosy hoe: 'Te-hareigny an'ty leila ty kô za.' "Amaraigna enao mareigny an'azy, ozy Festosy.23Ka ny andro magnaraka de tonga tamin-boninatra i Agripa sy Berenika; nankao amin'ny eftragno malalaka be niarka tam'reo miaramila mpifehy sy reo leilaa manankaja teo antanana zareo. Rafa niteny an'le didy Festosy, de nentin'jareo Paoly. 24Ozy Festosy hoe: "Agripa mpanjaka, sy anareo leila daôly ze miaraka aminay aketo, itanareo ty leila ty; reo Jiosy daôly ze nifagnaraka taminà taigny Jerosalema sy teto kô, de nitaraigna taminà zareo fa tsy tokony ho velona mitsy izy.25Fantatro fa tsy nagnano na ino na ino ze tokonny hafaty an'azy izy; satria nagnataka ho aigny amin'ny Amperora izy, de nanapkevitra ze handefa an'azy ho aigny.26 Saingy tsy de mavesa-danja ny ra sarotra ho aigny amin'ny Amperora. No zany antony zany de nentinko aketo aminareo izy, indrindra aminao, Agripa Mpanjaka, mba anagnako ra maro soratana momba an'le raharaha. 27Satria ôtran'ny tsy mety aminà ny mandefa gadra sy tsy milaza ze emmpangana an'zy kô.
Chapter 26

1Noho zany Agripa nitare tamin'i Paoly hoe: "Afaka mitare ho an'ny tegnanao anao." De naninjitra ny tagnany Paoly ary nagnano ny ferovan-tegnany. 2"Maneho ny tegnako ôtran'ny faly za, ry Agripa mpanjaka, mbô hitondra ny ra mahazo anà aketo agnolônao gniany magnohitra an'reo fempangan'reo Jiosy daôly; 3ndrindra, satria anao efa za-draharaha amin'ny fomba amam-panao sy fagnontanen'ny Jiosy daôly. Noho zany de mangataka an'nao za handregny anà am-paretana.4Marina fa, reo Jiosy daôly de mafantatra ny fomba fiaignako hatramin'ny fatanorako taigny amin'ny fireneko magnokana sy takao Jerosalema. 5Zareo de nafantatra anà hatraigny am-bôlôny ary tokony haneky zareo fa Fariseo fiaigna za, ny sarotiny ndrindra amin'ny antokon'ny fivavahantsikana.6Ary mitsangana aketo za mbô ho tsaraina satria mikaraka ny fampanantenana ze nataon'Andriamanitra tam'reo razantsika za. 7Fa ty no fampagnantenana nantenain'ny fokontsika rombefolo ho raisina raha nagnompo an'Andriamanitra magnalin'andro tokoa zareo. Ho an'zany fagnantenana zany, ry Agripa mpanjaka, no hiampangan'reo Jiosy anà. 8Magnino anareo no mieritreritra fa tsy azo inoana fa manangana ny maty Andriamanitra?9Nisy fotôna za nihevitra tamin'ny tegnako fa tokony hagnano ra betsaka magnohitra ny agnaran'i Jesosy avy aigny Nazareta za. 10Nagnano an'zany taigny Jerosalema za. Nagnagadra betsaka tam'reo mpino taigny am-ponja tamin'ny faefana noraisiko avy tam'reo lôhan'ny mpisorona za, ary rafa vôvono zareo, de nandatsaka ny vatoko hagnohitra an-jareo za. 11Nosaziko imbetsaka zareo taigny am'reo synagoga daôly ary niezaka ny hanery an-jareo mbô hiteny ratsy za. Sosy mafy tamin-jareo za ary nanenjika an-jareo na de taigny am'reo tanàna aigny avelagny aza.12Raha mbôla nagnano an'zany za, de nande taigny Damaskosy niaraka tamin'ny faefana sy reo didy avy am'reo lôhan'ny mpisorona; 13ary taigny an-dalana nankaigny, tamin'ny anjerignandro igny, ry Mpanjaka, de natazagna hazavagna avy aigny an-dagnitra za ze mamiratra noho ny masoandro ary zany de namiratra nagnodidigna anà sy reo leila ze niara-de taminà. 14Rafa lavo tamin'ny tany zahay daôly, de naregny feo niresaka taminà za ze nitare tamin'ny teny Hebreo hoe: 'Saoly, Saoly, magnino anao no magnenjika Anà? sarotra ho an'nao ny handaka fanindrognana.'15Avekeo nitare za hoe: 'Iza anao, Tompo ma?' Ny Tompo namaly hoe: 'Za no Jesosy ze kinjenao. 16Am'zao fotôna zao merema ary mitsangana amin'ny tongotrao; satria noho zao antony zao no nibôgnako taminao, mbô hanendry an'nao ho mpanompo sy ho vavolombelona makasika reo ra ze fantatrao momba Anà am'zao ary reo ra ze abôgnako an'nao akao afara kely; 17ary hagnavotra an'nao akao amin'ny vahôka sy reo Jentilisa ze hagnirako an'nao Za, 18mbô hagnokatra ny mason-jareo ary hampitodika an'jareo hiala amin'ny haizina hankaigny amin'ny fazavana ary amin'ny herin'ny Satana hankaigny amin'Andriamanitra, mbô hafan-jareo mandray avy amin'Andriamanitra ny famelan-keloky ny fahotana sy ny lova ze ameko an-jareo ze namasinina tamin'ny finoana Anà.'19Noho zany, ry Agripa mpanjaka, nankatoa ny fahitana avy taigny an-dagnitra za; 20fa, ny an'reo ze taigny Damaskosy alô, ary avekeo taigny Jerosalema, ary naneragna ny tanin'ny Jodia daôly, ary kô tam'reo Jentilisa, nagnome an-jareo ny hafatra za fa tokony hibebaka sy hitodika amin'Andriamanitra zareo, hagnano ny asa mendrika ny fibebahana. 21Noho zany antony zany no nisamboran'reo Jiosy anà takao an-tempoly sy niezaka hamono anà.22Nagnampy anà hatram'zao Andriamanitra, noho zany de mitsangana za ary mijoro vavolombelona amin'ny ôlon-tsotra sy am-reo manan-kaja tsy hilaza na ino na ino mihôtra ze nolazain'reo mpaminagny sy Mosesy fa hitranga; 23fa tsy maintsy hijaly Kristy, ary izy no ho vôlôny hitsangana am'reo maty mbô hitsangana sy hitory fazavana ho an'reo vahôka Jiosy sy reo Jentilisa."24Raha vitan'i Paoly ny ferovan-tegnany, de nitare tamin'ny feo mafy Festosy hoe: "Paoly, very saigna anao; ny fianaranao be lôtra no natonga an'nao ho very saigna." 25Fa ozy Paoly hoe: "Tsy very saigna za, ry Festosy tsara ndrindra; fa amin'ny fasahiana za no mikoragna teny fahamarinana sy fahamatorana. 26Fa ny mpanjaka mafantatra momba an'zany ra zany; ary noho zany, mikoragna an-kalalahana amin'azy za, fa resy latra fa tsisy tam'zany nasitrika tamin'azy; satria tsy natao taigny amin'ny takona zany.27Mino ny mpaminagny ma anao, ry Agripa mpanjaka? Fantatro fa mino anao." 28Agripa nitare tamin'i Paoly hoe: "Akao agnatin'ny fotôna foika ma no handresenao latra anà sy hagnanôvanao anà ho kristiana?" 29Ozy Paoly hoe: "Mivavaka amin'Andriamanitra za, mbô na ho akao agnatin'ny fotôna foika na fotôna lava, tsy anao fôgnany, fa reo daôly ze maregny anà gniany kô, de hitovy aminà, fa tsy miaraka am'reny rojo reny."30Avekeo nitsangana ny mpanjaka, sy ny governora, sy Berenika iany kô, ary reo ze nipetraka niaraka tamin-jareo; 31rafa nandao ny tragno fivoriana zareo, de nifampiresaka ary nitare hoe: "Ty leila ty tsy magnano ra mendrika ny fafatesana na famatorana." 32Ozy Agripa tamin'i Festosy hoe: "Ty leila ty de afaka nalefa raha tsy nantsovina taigny amin'i Kaisara izy."

Chapter 27

1Rafa tapaka fa tokony hentsambo ho aigny Italia zahay, de napetran'jareo i Paoly sy reo gadra hafa ho eo ambanin'ny fiahian'ny kapeteny raika antsovina hoe Jolio ze an'ny rezimantan'ny Amperora. 2Niditra tagnaty sambo raika avy aigny Adramytena zahay, ze hiondrana magnaraka ny sisin-tanin'ny Asia. Ka de nande an-dranomasina zahay. Aristarko avy aigny Tesalonika aigny Makedonia de nande niaraka taminay.3Ny andro magnaraka de tonga takao am'tanànan'ny Sidona zahay, ze nitondran'i Jolio an'i Paoly tam'hatsaram-pagna ary namela an'azy hande ho aigny am'reo namany handray ny fikarakaran'jareo.4 Avy taigny zahay no nande an-dranomasina ary nentsambo nagnaraka ny morogn'ny Kyprosy, nagnakeky ny nosy, satria nanoitra an'nay ny rivotra.5 Avy akeo netsambo namakivaky ny ranomasina zahay ary nagnakeky ny sisin-tanin'ny Kilika sy Pamfilia, tonga takao Myra zahay, tananàn'ny Lykia. 6Taigny, ny kapiteny de nahita sambo raika avy aigny Aleksandria ze hetsambo ho aigny Italia. Napetrany takao am-zany zahay.7Rafa netsambo niadana nandritry ny andro maro zahay ary ny farany de tonga tam-pasahiranana teo akaikin'ny Kinidio, de tsy namela an'nay ande tam-zany lalana zany ntsony ny rivotra, ka de netsambo nagnaraka ny ilany takon-drivotra ny Kreta zahay, mifanjo am'Salmona. 8Nagnra-morona tam-pasahiranana zahay, mandra-patonganay taigny am'tôrana raika antsovina hoe Tsara-fitodian-tsambo, ze akekin'ny tanànan'ny Lasea.9Ary nandany fotôna betsaka zahay, eaf dila iany kô ny fotôna fifaden-kanin'reo Jiosy, ary efa lasana nampidi-doza ny miondrana an-tsambo. Ka de nampitandrina an'jareo Paoly,10 ary nitare hoe: "Ry leilà, hitako fa ty de ze ho ataontsika ty de hisy faratrana sy fatinatoka betsaka, tsy ho an'ny entana sy ny sambo fôgna, fa ho an'ny aignantsika kô." 11Fa ny kapiteny nagnome lanja betsaka ny mpitondra sy ny tompon'ny sambo no reo ra ze vôlazan'i Paoly.12Satria ao am'seragnana de tsy mora raha hijanonana mandritry ny ririnina, de betsaka tam'reo mpetsambo no nagnatoro hevitra ny hiondrana hiala teo, fa ndraindray mbô afaka mizotra makaigny an'tanànan'ny Foiniksa am'fara herinay, mba hipetraka aigny mandritry ny ririnina. Foiniksa de saragnana aigny Kreta, ary magnatrika ny magnavaratra andrefana sy ny magnatsimo-andrefana zany.13 Rafa nanomboka nitsoka malefaka ny rivotra avy aigny atsimo, de nihevitra reo tantsambo fa nanagna ze nilain'jareo. Ka de nampakatra ny vatofantsika ary niondrana nagnaraka an'i Kreta zareo, nagnakeky ny moron-dranomasina.14Fa afaka fotôna foika de nisy tafio-drivotra mahery, nantsovina hoe Eoraklydona, nanomboka namely mafy avy aigny am'nosy.15 Rafa tratry ny tafiotra ny sambo ary tsy afaka nanotra ny rivotra ntsony, de tsy maintsy nagnome lalana ny tafiotra zahay ary nentin'ny rivotra nivezivezy. 16Nentsambo nagnaraka ny morogn'ny nosy kely raika antsovina hoe Kaoda zahay, ary tam-pasahiranana no nafahanay niaro ny lakana famonjena aigna.17Rafa nampekarin'jareo ny lakana famonjena aigna, de nampesain'jareo ny tadin'zany mba hamatorana ny vatan'ny sambo. Natatra zareo fa tokony hande ambonin'ny fasika mandrevon'ny Syrtiso, ka de nalatsan'jareo ny vatofantsika ny ranomasina ary nande ho azy teigny. 18Takatry ny familezana mahery vaikan'ny tafiotra zahay haigny ka ny andro magnaraka io de nanomboka nagnary reo entana taigny ambelagn'ny sambo zareo.19Tam'ny andro fatelo reo tantsambo de nanipy ny entan'ny sambo taigny ambelagnin'ny sambo tam'tagnan'jareo manôkana. 20Rafa tsy nihiratra taminay nandritry ny andro maro ny masoandro sy ny kintana, ary mbola namely an'nay le tafiotra be, de very daôly ny fagnantenana ny havônonjy an'nay.21Rafa lasa lavitra tsisy ahanina zareo, de nitsangana teo am'reo tantsambo Paoly avy eo ary nitare hoe: "Ry leilà, tokony nihaino anà nareo, ary tsy niondrana avy taigny Kreta, ho tratran'zao faharatrana sy fatiantoka zao. 22Am-zao de mampirisika an'nareo za mba hahery, fa tsisy favarezan'aigna akeo agnolônareo, fa fahaverezan'ny sambo fôgna iany.23Fa tam'alina de nisy anjelin'Andriamanitra ze Tompoko, ze Tompoiko iany kô- nitsangana takeo agnilakao ny anjeliny 24ary nitare hoe: "Aza matatra, ry Paoly. Tsy maintsy hitsangana akeo agnatrehan'i Kaisara enao, ary indro Andriamanitra akao am'hatsaram-pagnany no nagnome an'nao reo daôly miantsambo miaraka aminao." 25No zany mionogna, ry leilà! Fa matokyy an'Andriamanitra za fa hitranga araka ze vôlaza taminà zany. 26Saigny tsy maintsy hidona amina nosy maromaro tsika."27Rafa tonga ny alina faha-efatra ambefolo, raha natopatopa nivezivezy tao am'ranomasin'ny Adrea zahay, tokony ho tam'sasak'alina de nihevitra reo tantsambo fa nagnakeky taigny zareo. De naka refin-drano zareo ary nahita fa efapolo metatra ny halaligny; tafara kelin'zany, 28de mbola naka refin-drano iany zareo ary nahita fa telopolo metatra ny halaligny. 29Natatra zareo sao hidona am'reo vato zahay, ka de nandatsaka vatofantsika efatra avy akao afara zareo ary nivavaka mba hiaven'ny maraigna tsy ho ela.30Reo tantsambo de nitsikaraka fomba hialana ny sambo ary nandatsaka ny lakana famonjena aigna taigny an-dranomasina, ary nody nandatsaka ny vatofantsika avy teo an-doha-tsambo zareo. 31Fa Paoly nitare tam'kapiteny sy reo miaramila hoe: "Raha tsy mijanona agnaty sambo reo leilà reo, tsy ho vôvonjy anareo." 32Avy akeo reo miaramila nanapaka ny tadin'ny lakana ka de namela an'zany ho rendrika.33Rafa nanomboka nihanazava ny andro, de namporisika an'azy daôly Paoly mba hialaka hahanina betsaka. Ozy izy hoe: "Ty andro ty no andro fa-efatra ambefolo ze hendrasanareo ary tsy hinananareo; tsy nihinana na ino na ino. 34No zany de mapirisika an'nareo zà mba hizara ahanina, fa ilaina zany mba hahavelogna an'nareo. Fa tsisy na raika aminareo ze ho very na de ny singam-bolo-dôny aza." 35Rafa avy nitare zany izy, de nialaka mofo ary nisôtra an'Andriamanitra tae imason'ny daôly. Avy akeo izy nizarazara ny mofo ary nanombola nihinana.36Avekeo de nahery izy daôly ary nialaka hahanina iany kô.37 Ôla 276 zahay no tao agnaty sambo. 38Rafa nihinana tsara zareo, de nohamaivagnin'jareo ny sambo tam'nagnaren'jareo vary tagnaty ranomasina.39Rafa tonga ny andro, de tsy fantan'jareo le tany, fa nahita helon-drano raika nisy tora-pasika zareo, ary nifandinika zareo raha afaka hitondra ny sambo taigny. 40Ka de notapan'jareo vatofantsika ary navelan'jareo taigny an-dranomasina. Niaraka tam-zay de nalatsan'jareo ny tady teo am'familiana ary natsangany ny lay ho akeo am'rivotra; ary de niroso nankeo amin'ny tora-pasika zareo. 41Fa tonga teo am'tôrana raika ze nisy ranomasina nifanapaka zareo, da nidona tam'tany ny sambo. Ary ny loha-sambo de niraikitra teo ary nijanona tsy afa-nihetsika, fa ny vodi-tsambo kosa nanomboka vaky nony hahery vaikan'ny onja.42Ny tetik'reo miaramila de ny hamono reo gadra mba tsisy am-jareo ho afaka ande hilomamo ka hilefa. 43Fa le kapiteny te-hamonjy an'i Paoly, ka de najanony ny tetin'jareo; ary nameny baiko reo mahay milomamo mba hilatsaka ambelagn'ny sambo alô ary ho eigny an-tanety. 44Avekeo tokony hanaraka ny ambin'reo leilà, ny sasagny ambony kakazo fisaka, ary ny sasagny ambony ra hafa avy tao am'sambo. Ôtran'zany no nibôgna ka ny daôly taminay de tonga sôman-tsara taigny an-tanety.
Chapter 28

1Rafa tonga sô man-tsara zahay, de hainay fa le tany de nantsovina hoe: Malta. 2Reo tompotany de tsy nampiseho hatsaram-pagna taminay fôgna fa nampirehitra afo kô zareo ary nampadroso an'nay daôly nony ora-mikija sy ny hatseka nahazo an'nay.3Fa rafa nagnangona kitaigna kakazo sy nametraka an'zany takeo amin'ny afo Paoly de nisy menaragna nivôka nony hafanana, ary nifatotra tamin'ny tagnany. 4Rafa natazagna an'le biby nihantogna takeo amin'ny tagnany reo tompontany de nifamikoragna zareo hoe: "Tegna mpamono ôla tokô io leila io, raha ny rariny de tsy tokony ho velona izy, nefa de tafavôka avy taigny an-dranomasina.5Fa avy takeo anefa de nagnifika an'le biby tao agnaty afo izy kanefa tsy maratra miitsy.6 Nandigny an'azy mba ho vôn'ny tazo na ho foaty tampoka zareo. Fa rafa avy nizaha an'azy maharita zareo ary natazagna fa tsisy ra nahazo an'azy, de niova hevitra zareo ary nilaza fa izy de andriamanitra.7Ary takeo ankeiky teo de nisy reo tany ze an'le leila leiben'ny nosy, leila antsovina hoe: Poplio. Nandray an'nay izy ary nagnome ahanina an'nay tamin'ny hatsaram-pagna nandritra ny telo andro. 8Ny rain'i Poplio de nararin'ny tazo sady nivalandrà. Raf nande nankaigny amin'azy Paoly, de nivavaka izy, nametraka ny tagnany teo amin'azy, ary nagnasitrana an'azy. 9Tafaran'ny nitrangan'zany, de nagnatona an'azy avokoa ny ambin'ny vahôka daôly ze narary teo am'le nosy ary sitrana. 10Ny vahôka ihany kô de nagnome voninahitra an'nay tamin'ny voninahitra maro. Ary rafa niomana ande antsambo zahay, de nagnome an'nay ze nilainay zareo.11Afala telo volana zahay de nande an-tsambo ze nijanona tao am'le nosy nandritryny ririnina, sambon'i Aleksandria, misy "sarikamban'andriamanitra" eo agnolôn'ny sambo. 12Ary rafa tonga tam'le tanànan'i Sirakosa zahay, de nitôtra takao nandritry ny telo andro.13Niala avy teo zahay no nentsambo ka tonga taigny amin'ny tanànan'i Regioma. Ary rafa afaka rai andro de nisy rivotra nitsoka avy aigny atsimo, ka rao andro zahay de tonga takao amin'ny tanànan'i Potioly. 14Takao no natazagnan'reo rahala sasagny ary nagnasa an'nay mba hijanona hiaraka amin'jareo madritry ny fito andro. Tamin'ny alalan'zany no natongavanay taigny Roma. 15Avy teigny reo rahala, tafaran'ny nadrignesan'jareo ny momba an'nay, de tonga nitsena an'nay hatraigny amin'ny tsenan'i Apio sy reo tragnom-bahiny telo. Rafa natazagna reo rahala Paoly, de nisôtra an'Andriamanitra izy ary nahazo hery.16Rafa niditra takao Roma zahay, de nahazo alalana hiara-hiaigna am'reo miaramila niambina an'azy Paoly. 17Ary rafa afaka telo andro tafaran'ze de nampiantso niaraka reo leila ze mpitarika teo amin'reo Jiosy reo i Paoly. Raf niaraka tonga zareo, de niteny tam'jareo izy hoe: "Ry rahala, na de tsy nagnano ra ratsy tamin'ny ôla na ny fomban'reo razantsia aza za, de natolotra ho gadrana taigny Jerosalema teo an-tagnan'ny Romana. 18Rafa avy nagnadiady anà zareo, de nagniry ny hanafaka anà, satria tsy nisy antony tokony hagnamelôgna anà ho foaty.19Fa rafa nanoitra ny fagnirin'jareo ny Jiosy, de vôtery za nampiantso an'i Kaisara, na de tsy ôtran'ny hoe nitondra fempangana hanoitra ny fereniko aza. 20Non'ny antsoko, de nangataka ny hatazagna an'nareo sy hikoragna aminareo za. Zany de non'ny fatokiasan'Israely momba ny hamatorana anà am'ty rojo ty."21Avy akeo de nitare tamin'azy zareo hoe: "Tsy mbola naray reo taratasy momba an'nao avy aigny Jodia zahay, na rahala tonga sy nitatitra na niteny ra ratsy momba an'nao. 22Fa tenay ho reigny aminao ny eritreritrao momba an'zany sekta zany, satria fantatray fa efa ratsy laza eigny daôly eigny zany.23Rafa nisafidy andro ho an'azy izy reo, de betsaka kokô reo ôla nagnatona an'azy taigny amin'ny tragno nitobinay. Nampafantatra an'le rahara tam'jareo izy, ary nijoro vavolombelona momban'ny fanjakan'Andriamanitra. Niezaka nandresy latra an'azy reo ny momba an'i Jesosy izy, na tamin'ny alalan'i Mosesy zany na tamin'ny alalan'ny mpaminagny, nanomboka maraina ka hatramin'ny takariva. 24Ny sasagny de resy latra tam'reo ra ze vôlaza, raha tsy nino kosa reo hafa.25Rafa tsynifagnaraka zareo, de lasa tafara'ny nagnambaran'i Paoly ty teny raika ty hoe: 'Ny Fanahy Masina de nitare tsara reo razanareo tamin'ny alalan'Isaia mpaminagny.26 Ozy izy hoe: "Mandenà aigny am'reo vahôka reo ary lazao hoe: "Amin'ny fitainoana no handrignesanareo,fa tsy hatakatra; ary amin'ny fahitagna no haitanareo, fa tsy hatazagna.27Fa nihadonto ny fon'reo ôla reo, ary sarotra amin'ny sofin'jareo ny hareigny, ary nagnakipy ny masony zareo. Fa raha tsy zany de mety afaka hatazagna amin'ny masaony zareo, ary handreigny amin'ny sofiny, sy hatakatra amin'ny fony ka hiverigna ndre de hagnasitrana an'azy reo Za."28No zany, tokony ho fantatrareo fa zany famonjen'Andriamanitra zany de nalefa tam'reo Jentilisa, ary hitaino zareo." 29(Fagnamarihana eigny amin'ny farany ambanin'ny pejy: Asa 28:29 Ny antontan-taratasy sasagny de managna ny andininy 29 hoe: "Rafa nitare reo ra reo izy, de lasana ny Jiosy. Nisy famaliana be takeo am'jareo.")30Paoly de niaigna nandritry ny roa taona be zao takao amin'ny tragnony nofainy magnokana, ary nandray ze daôly tonga tao amin'azy izy. 31Nanambara ny fanjakan'Andriamanitra izy ary nampianatra reo ra momban'i Tompo Jesosy Kristy tamin'ny fasahiana. Ary tsisy nanakana izy.

Romans

Chapter 1

1Paoly, mpanompon'ny Jesosy Kristy, de vôantso ho apostoly ary vôtokana ho mpitory ny filazantsaran'Andriamanitra.2 Io le filazantsara ze nampagnantenainy melôa tamin'ny alalan'reo mpaminagny takao ami'Soratra Masina.3 Zany de ny momba ny Zanagny leila, ze teraka avy amin'ny taranak'i Davida araka ny nofo.Tamin'ny 4fitsanganany tamin'ny maty, de vômbara ho le Zanaka maherin'Andriamanitra tamin'ny herin'ny Fagnan'ny famasinana Izy de Jesosy Kristy Tompontsika.5 Taminy alalany no nandraisantsika fahasoavana sy ny maha-apostoly amin'ny fankatoava ny fignona akeo amin'ny firenena daôly noho ny Agnarany.6 Ami'reo firenena reo, anareo iany kô de vôantso ho an'i Jesosy Kristy.7Ity taratasy ty de ho an'nareo daôly akao Rome, ze malalan'Adriamanitra, ze vôantso ho ôla-masina. Oaminareo ané ny fahasoavana, sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.8Vôlôny, isôrako Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy noho ny aminareo daôly, satry ny fignonareo dia efa nambara magneragna an'zao tontolo zao. 9Fa Andriamanitra no vavolombeloko, ze tompòko akao amin'ny fagnako akao amin'ny filazantsaran'ny Zanagny, fa tsy mijanona miresaka an'reo Aminazy Za.10 Mangataka fôgna za amin'ny vavaka ataoko sy mba aombiazako amin'ny fomba daôly araka ny sitrapon'Andriamanitra mba ho tonga aminareo.11Fa za de magniry ny atazana an'nareo, mba afako magnome fasoavam-pagna sasantsasagny oan'nareo mba ampaery anareo.12 Zany, de magniry anà ny mba ifampaerezantsika aketo agnivontsika, amin'ny alalan'ny finôn'ny tsiraikaraika avy, ny an'nareo sy ny anà13Izao tsy teko anareo tsy oafatatra, ry ralà, hoe matetika za no managna fikasana hagnantogna an'nareo, (nefa za de vôsakana mandrak'zao), mba azaôna vokatra aminareo, sahala ny efa nazaôko ny ambin'reo jentilisa iany kô.14 Za de mpitrosa amireo Grika sy reo vahiny, amin'ny endry sy ny adala.15 Noho zany, aminà, de vonona iany kô za itory ny filazantsara ho anareo ze aigny Roma.16Fa za de tsy megnatra amin'ny filazantsara, fa zany no erin'Andriamanitra ho famonjena reo daôly ze mino, ho an'ny Jiosy alô ary ho an'ny Grika.17 Fa amin'izany no aneona ny fahamarinan'Andriamanitra avy amin'ny fignona ho amin'ny fignona, araka ze vôsoratra hoe: " Ny marina de hovelona amin'ny fignona."18Fa ny fahatezeran'Andriamanitra de naseo avy aigny an-dagnitra manoitra ny aratsem-panahy sy ny tsy fahamarinan'ny ôla, ze magnaraka ny fahamarinana avy amin'ny alalan'ny tsy fahamarinana.19 Zany de satry ze fantatra momban'Andriamanitra de itan'jareo maso. Fa noazavain'Andriamanitra zareo20Fa reo endrigny ze tsy ita maso, zay eriny tsy misy fetra sy maha-Andriamanitra an'Azy, de ita mazava tsara, nentomboka tamin'ny famoronana an'zao tontolo zao, tamireo ra ze noforonina. Noho zany de tsy managna fialan-tsiny izy reo.21 Zany de satria,na de efa nahafantatra ny momban'Andriamanitra aza zareo, de tsy nanome voninahitra amin'ny maha Andriamanitra Azy, na kô nisôtra Azy. Fa kosa, lasa adala takao an-tsainy izy reo, ary nihamaizina ny fo donton'izy reo.22Zareo de nilaza an'jareo ho hendry, kanefa de niha-lasa adala.23 Ny voninahitran'Andrimanitra tsy mety lo de natakalon'jareo sarin'endrik'olombelona mety lo, vorona, biby manan-tongotra efatra, sy reo ra mikisaka.24Noho zagny de natolotr'Andriamanitra ho amin'ny filan'jareo ho amin'ny fahalotoana zareo, mba ho afa-boninahitra takeo amin'jareo ihany ny tenan'jareo.25 Zareo no nankalo ny fahamarinan'Andriamanitra tamin'ny laiga, ary zay midera sy manompo ny zava-boary fa tsy le Nahary, zay deraigna mandrakizay. Amena.26Noho zany, natolotr'Andriamanitra ho amin'ny filan-dratsy mamôfady zareo, fa reo veivan-jareo de natakalon-jareo fifandraisana vôjagnahary tamin'ireo tsy vôjagnahary.27 Sahala am'zany kô, reo leilà de namela ny fifandraisan-jareo vôjangnahary miaraka amin'ny veivavy ka nampiretin'ny filàna ara-nofo zareo samy zareo. Reo de leilà ze nagnano fietsika mahamegnatra miaraka amin-deilà ary nandray takao amin-jareo ny sazy ze mendrika an'azy reo noho ny fahavetavetaan-jareo.28Satria tsy nagneky ny hanagna an'Andriamanitra ao amin'ny fieritreretany zareo, de nameny saigna tsy madio zareo, mba hagnanôvana reo ra ze tsy manjary.29Zareo reo de tototry ny tsy fahamarignana, faharatsena, fitsiriritana, ary lolom-po daôly. Zareo reo de feno fialôgnana, famonôna, fifamalena, fitaka, ary teti-dratsy.30 Zareo de mpifôsa, mpanendrikendrika, ary te an'Andriamanitra. Zareo reo de mahery setra, miavogna, ary mieboebo. Zareo reo de mpamôrogna ra tsy manjary, ary zareo reo de manaja ny ray aman-dreniny. 31Zareo reo de tsy magnana fahalalana, zareo de tsy azo antoka, stoisy fitiavgna vôjanahary, ary tsy mamindea fô,32Hain-jareo ny lalàn' Andriamanitra, fa zareo de magnano ra sahala amin'zany , de mendrika ny fahafatesagna. Fa tsy reo ra reo ihany no ataony, fa magneky reo hafa ze magnano reny kô
Chapter 2

1Non'izany de tsy managna fialan-tsigny anao, ry ôla, anao ze mitsara, de magnano ab'reo iany kô, fa ze tsaranao ny hafa no agnamelohana ny tegnanao. 2Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra de araka ny marina rafa nametra aminjareo ze magnano ra ôtran'izany.3Fa hevero zao, ry ôl; anao ze mitsara reo ze magnano ra ôtran'ireo na de magnano ôtran'ireny kô aza anao. Hilefa ny fitsaran'Andriamanitra va ianao. 4sa hamaivagnknao ny haren'ny hatsaram-panahy, ny fandeferany,ary ny faelany? Tsy fantatrareo anga fa ny hatsaram-panahy de natao hitarika anao amin'ny fibebana?5Fa zany de ho amin'ny hagedan'ny hamafeny sy ny tsy fibebahan'ny fonareo no ananangonanareo fahasosena ho an'ny tegnanareo amin'ny andro fahasosena, zany de ny andron'ny fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra. 6Hamaly ny ôla dahôly amin'ny fatra mitovy amin'ireo nataony izy. 7Hagnome araka ny fahelany, ny asa tsara mikaraka dera, voninahitra, ny tsy fahafatesagna, fiainana mandrakizay izy.Fa ho an'ireo zay mikaraka ho an'ny tegnany, ze tsy magneky ny marina fa magngeky ny tgsy fahamarinana, de ho avy ny fahasosena sy ny fasiahana. Andriamanitra de hitondra fahorena sy ny fahantrana amin'ny fanahin'ny ôla daôly ze magnano ratsy, amin'ny Jiosy alô de vô ny Grika kô.10Fa dera, laza, ary fiadanana no avy amin'ireo ze magnano ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika kô. 11Fa tsisy fiangarana miaraka amin'Andriamanitra. 12Fa ze reetra nanota tsy nanana ny lalàna de ho very tsy manana ny lalàna iany kô, ary ze reetra nanota niaraka tamin'ny fagnajana ny lalàna de hotsaraina araka ny lalàna.13Fa tsy reo mpihaino ny lalàna no marina akeo, agnatrehan'Andriamanitra fa reo ze mampiagnatra ny lalàna no ho hamarinina. 14Fa reo Jentilisa ,ze tsy managna ny lalàna, rafa magno ra momba ny lalàna araka ny vôjagnahary,de zareo no lalàna ho an'ny tegnany, na de tsy magnana ny lalàna aza zareo.15Amin'zany no haneoan'jareo ny asa angatahin'ny lalàna de vôsoratra akao am-ponjareo. Ny fieritreretan-jareo iany kô de vavôlombelogna ho an'jareo ary ny fisaignan'jareo manôkana de, na manameloka na iaro anjareo amin'ny tegnan-jareo. 16Ary kô amin' Andriamanitra reo tsiambaratelon'ôla daôly, araka ny filazantsara, amin'ny alalanny Jesôsy Kristy.17Fa ra to ka Joiosy no hagnantsôvanapo ny tegnanao ary miankina amin'ny lalàna sy mirehareha ao amin'Andriamnitra , 18ary mahay ny sitrapony sy mamantatra ze ra tsara indrindra satria nampianarina tamin'ny lalàna anao. 19Ary ra tô ka resy lahatyra anao fa ny tegnanao de mpitarika ny jamba,fahazavana ho an'ireo ze akao amin'ny haizigna, 20mpanitsy ny adala, mpamianatra ny zazakely, anagnanao akao amin'ny lalàna ny endriky ny fahaizana sy ny marina, de aôna zany no fetraikan'zany amin'ny fômba hiaignanao ny fiaignanao?21Ary anao ze mampiagnatra reo sasagny, tsy mampiagnatra ny tegnanao ma nao?Anao ze mitory manoitra ny halatra, mangalatra ma anao? 22Anao ze mitare fa tsy tokony hijangajanga, mijangajanga ma anao? Anao ze mankahala ny sampy, mandroba reo tempoly ma anao?23Anao ze faly mirehareha akao amin'ny lalàna, magnala baraka an'Andriamanitra ma anao amin'io fandikanao ny lalàna io? 24Fa ny "Anaran'Andriamanitra de efa afa-baraka takeo amin'ireo Jentilisa noho nareo."25Fa mahazo tômbony amin'ny famorana tokôtra nareo ra to ka mankato ny lalàna, fa ra mandika ny lalàa anareo, de tonga tsy vôfora na de efa vôfora aza nareo. 26Arak'zany, ra ôla tsy vôfora no mitandrina ze takin'ny lalàna, sty hatao ho isan'ny vôfora ma iazy na de tsy vôfora aza? 27Ary tsy ho helohin'ilay raika ze tsy mifora ara-bônjagnahary ma anareo ra tô ka mitandrina ny lalàna izy? izany de satria magnana ny lalàna vôsoratra sy ny famorana anareo, nefa mbôla mandika ny lalàna!28Fa izy de Jjiosy amin'ny endrika ambelany fotsiny; na amin'ny famoran ze miseho aùin'ny endrika ambelan'ny nofo fôgna. 29Fa izy de Jiosy akao agnaty, ary ny famorana ze an'ny fo akao amin'ny Fanahy, fa tsy akao amin'ny soratra. Ny fiderana ny ôla ôtran'zany de tsy avy amin'ny ôla fa avy amin'Andriamanitra.

Chapter 3

1Ka ino ary zany no tombotsô anagnan'ny Jiosy? Ary ino no tombontson'ny famoràna? 2Tsara zany amin'ny fomba rehetra. Vôlôny ndrindra, reo Jiosy de nagnakignana ny fagnambarana avy amin'Andriamanitra.3Fa manakôry raha tsy nanam-pinona reo Jiosy sasagny? Ny tsy finon'jareo ma no ahantonga ny fahatokin'Andriamanitra tsy ho tanteraka? 4Tsisy mintsy ane zany. Fa kosa, avelao ho hita fa marina Andriamanitra, na de mpandainga, aza ny ôla tsiraikaraika. Araka ny voasoratra hoe: "Ho aseho amin'ny koragnanareo fa olo-marina anareo, ary aseho rafa tonga amin'ny fitsarana anareo."5Fa raha tô ny tsy famarinantsika no maneho ny famarinan'Andriamanitra, ino ny azontsika hambara? Afaka milaza ma tsika fa tsy marina Andriamanitra amin'ny famoany ny fasoseny amintsika, sa tsy zany? (Mampiasa ny lahatenin'olombelona za.)6 Tsisy mintsy ane zany! Satria amin'ny fomba manakôry ary no hitsaran'Andriamanitra an'izao tontolo izao?7Fa raha tô ny famarinan'Andriamanitra ka magnome fiderana betsaka ho an'Azy amin'ny alalan'ny laingako,de nagnino ary za no mbola tsaraina ho mpanota? 8Fa nagnino no tsy taraviny, araka ny tatitra diso ze lazaina fa tenenintsika, ary kô arakin'ny hamafin'ny sasagny fa notaravintsika hoe: "Avelao zahay hagnano ratsy, mba hiavian'ny tsara"? Rariny ny fitsarana atao amin'jareo.9Ka ino ary? Magnome rariny ny tegnantsika ma atsika? Tsy zany mintsy. Fa tsika de efa nagnameloka ny Jiosy sy ny Grika, izy rehetra, ho mpanota. 10Zany de araka ny vôsoratra hoe: "Tsisy ôlo-marina, na de raika aza.11Tsisy na raika aza mafantatra. Tsisy na raika aza mikaraka an'Andriamanitra.12 Lasa tsisy ilàna an'azy rehetra. Tsisy mba magnano ny tsara, tsisy, na de raika monja aza.13Ny tendan'jareo de fasana misokatra. Ny lelan'jareo de mamitaka. Ny poizin'reo bibilava de akao ambanin'ny molotry zareo.14Ny vavan'jareo de feno ozogna sy lolom-po.15Ny tongon'jareo de havanana amin'ny fandatsan-drà. 16Ny fanimbana sy ny fijalina de eigny amin'ny lalan'jareo.17Ireigny ôla reigny de tsy nahay ny lalan'ny fiadanana. 18Tsy mba misy tatra an'Andriamanitra akeo agnolôn'ny mason'jareo.19Ankehitriny de fantatsika fa na ino na ino lazain'ny lalàna, de miantefa aigny amin'reo ze ambany lalàla. 'Zany de mba ahatonga ny vavan'ny tsiraikarika hangina ary mba hahazo valiny avy any amin'Andriamanitra izao tontolo izao. 20Zany de satria tsisy nofo hamarinina amin' ny asan'ny lalàna akeo amasony. Fa amin'ny alalan'ny lalàna no hiaven'ny falalana ny fahotana.21Fa ankehitriny de nampifantarina iany kô ny famarinan'Andriamanitra tsy amin'ny lalàna. Noporofoin'ny lalàna sy reo mpaminagny, 22fa zany, no famarinan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finona an'i Jesosy Kristy ho an'ze daôly mino. Satria tsy misy fagnavana.23Fa nanota ny ôla daôly ka tsy managna ny voninatr'Andriamanitra, 24ary zareo de hamarinina maimaimpôgna amin'ny fahasoavany amin'ny alalan'ny fagnavotana ze akao amin'i Kristy Jesosy.25Fa Andriamanitra nagnome an'i Kristy Jesosy ho fagnatitra amin'ny alalan'ny finona ny ràny. Natolony ho porofon'ny famarinany Kristy, nony tsy fitazagnana ny ota taigny alô 26amin'ny faharetany. Nitranga izany rehetra zany ho fampiariarina ny fahamarinany amin'zao fotôna ankehitriny izao. zany de mba hafahany magnaporofo fa marina ny tegnany,ary mba hanehoany fa Izy de magnamarina ny daôly non'ny finona an'i Jesosy.27Aiza ary zany ny firerehana? Vaofafa zany. Fa ino no antony? Amin'ny asa ma? Tsia, fa nony finona. 28Manapa-kevitra zany tsika fa ny ôla raika de hamarinina araka ny finona tsisy 'reo asan'ny lalàna.29Sa Andriamanitry ny Jiosy rerika iany ma Andriamanitra? Mo ve tsy Andriamanitr'ireo Jentilisa kô Izy? Iôny, an'ny Jentilisa kô. 30Raha, raika tokôtra Andriamanitra, de hamarininy amin'ny finona reo voafara. Ary reo tsy voafora kosa amin'ny alalan'ny finona.31Foagnantsika amin'ny alalan'ny finona ary ma zany ny lalàna? Tsisy mintsy ane zany! Fa kosa, makatô ny lalàna tsika.
Chapter 4

1Ino ary no hotaravintsika fa tazagn'i Abrahama, raintsika taigny alô araka ny nofo.2 Fa ra nohamarigninna tamin'ny asa Abrahama, de nagnana antony hireharehana izy, nefa tsy eo anatrehan'Andriamanitra.3 Fa ino ny koragnin'ny Soratra Masina? "Abrahama de nino an'Andriamanitra ary natao ho isan'ny fahamarinany izany."4Ary ho an'ze miasa, ny karamany de tsy isaina ho fahasoavana, fa ho tahaka ny trosa.5Fa ho an'ze tsy miasa kosa nefa mino an'Ilay iray ze magnamarina ny mpanôitra an' Andriamanitra, de isaina ho fahamarinana ny finoany.6Davida ihany kô de manognona tso-drano amin'ny ôla ze isain'Andriamanitra ho marina nefa tsy miasa.7 Ozy izy hoe: " Sambatra reo ze vôvela ny helony, ary koa reo ze vôsargna ny ny fahotany. 8Sambatra ze tsy hisain'ny Tompo heloka."9Amin'jareo voafora iany ve no hagnonônana an'zany tso-drano zany, sa ami'reo tsy voafora kô? Fa ozy tsika hoe: " Ny finoana de nisain'i Abrahama ho fahamarinana. 10Ka aôna ary no nanisana an'zany? Tmin'ny Abrahama efa voafora ,sa tamin'izy tsgy mbôlla voafoara? Tys tamin'izy fa voafora fa tamin'izy mbôla tsy voafora.11Abrahama de nahazo ny famataran'ny famorana. Zany de mariky ny fahamarinan'ny finôna ze efa nanagnany ra mbôla tsy voafora izy. Ny setrin'zany famantarana zany de lasa rain'ze mino daôly izy, na de mbôla tsy voafora aza zareo. Midika zany fa ny fahamarignana de isaina ho an'jareo. 12Nidika kô zany fa Abrahama de lasa rain'ny voafora tsy ho an'reo ze voafora rerika iany fa ho an'reo ze magnaraka ny den'ny finôn'i Abrahama raintsbika iany kô talôhan'ny tsy mbôla naha-voafora anazy.13Fa ny fampagnantenana tamin'i Abrahama sy reo taragnany fa ho mpandovan'zao tontolo zao izy de tsy avy amin'ny alalan'ny lalàna fa avy amin'ny alalan'ny fahamarinan'ny finôna. 14Fa ra reo ze miaigna amin'ny lalàna no na mpandova, de ho fagna ny finôna, ary tsisy ilàna an'azy ny fampagnantenana. 15Satria ny didy de mitôndra amin'ny fahatezeragna, fa aigny am'ze tsisy lalàna, de misy fandikan-dalàna.16Noho zany antony zany de mitranga amin'ny finôna zany, mba hitôran'ny fampagnantenana amin'ny fahasoavana ary ho azo antoka amin'reo taranak'i Abrahama reetra_tsy ho an'reo ze ambany lalàna iany, fa ho an'reo ze mizara ny finôn'i Abrahama iany kô. Raintsika reetra izy, 17araka ny vôsoratra: " Nataoko ho rain'ny firenena maro enao. " Takeo amin'ny fagnatrehan'Ilay nitokiany Abrahama, de Andriamanitra zany, ze nagnome fiaignana reo maty ary magnantso reo ze tsy mbôla misy mbô hisy.18Na de takeo aza reo zava-gnitranga takaigny ambelany, de natoky tanteraka an'Andriamanitra i Abrahama amin'ny ho avy. Ka tônga rain'ny firenenana maro izy, araka ze efa vôlaza hoe: " Ho sahala am'zany ny taranakao". 19 Tsy navozo tamin'ny finôna izy. Hain'i Abrahama fa tsy afaka ny hanan-taranaka izy ( satria efa eo amin'ny zato taogna teo ho eo izy). Nagneky iany kô izy fa ny kibon'i Saraha de tsy afaka ny hitondra vohoka tsony.20Nefa noho ny fampantegnan'Andriamanitra, de tsy nitaredretra tamin'ny tsy finôna i Abrahama. Fa kôsany,niha-natanjaka tamin'ny finôna izy ary nidea an'Andriamanitra. 21Resy lahatra tantraka izy fa ze nampagnantenain'Andriamanitra, de azony ataony iany kô. 22Noho zany de nisaiana ho an'azy ho fahamarignana zany.23Ary de tsy nosoratana ho n'ny tombotsoany raika iany zany, fa nisaina ho anazy zany. 24Nosoratana ho antsika iany kô zany, ho an'ze hanisana an'zany, tsika ze minon Anazy ze nagnangana an'i jesôsy Tompontsika tamin'ny maty. 25Izy le tokana natolotra noho reo fahotantsika ary novelomina mba hanamarina antsika.
Chapter 5

1Satria namarinina tamin'ny fignona tsika, de managna fedanana miaraka amin'Andriamanitra aminy alalan'i Tompontsika Jesosy Kristy. 2Amin'ny alalany iany kô no anagnantsika lalala amin'ny fignona mankao ami'zany fahasoavana ze ijorontsika zany. Mifalifaly amin'ny fahatokina amin'Andriamanitra an'ny amin'ny ho avy zay, fatokina ze ozaraintsika akao amin'ny voninaitran'Andriamanitra.3Tsy amin'zany iany,fa tsika kô de mifaly akao amin'ny faorentsika. Fantatsika fa ny faorena de mamokatra faharetana. 4Ny faharetana miteraka fankatoavana, ary ny fankatoavana miteraka fahatokisana ho amin'ny hoavy.5 Zany toky zany de tsy mandiso fanantenana, satria ny fitiavan'Andriamanitra de efa narotsako takao am-pontsika tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masina, ze namena antsika.6Fa ra mbola navôzo isika, de maty ara-potona ho an'ny ratsy Fagnahy Kristy.7 Fa sarotra ho an'ny ôla raika ny ho faty ho an'ny ôla-marina. Fa, ngamba mety misy ôla raika sahy ho an'ny ôla tsara.8Fa Andriamanitra maneo ny fitiavany manokana ho antsika, satria ra mbola mpagnota isika, de maty ho antsika Kristy.9 Miôtra no zany aza, amin'zao rafa nomarinina tamin'ny ràny isika de ho vôvonjin'zany amin'ny fahatezeran'Andriamanitra.10Fa ra, mbola fahavaloy isika, de niavana tamin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fahafatesan'ny Zanagny, ary miôtra noho zany, rafa avy nampiavagnina, de ho vôvonjy amin'ny alalan'ny aigny isika. 11Ary tsy zany iany, fa isika iany kô de mifaly akao amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Tompontsika Jesosy Kristy, fa isika ze nazaôntsika zany havanana zany amizao.12No zany ary, sahalan'ny nidiran'ny ota tamin'ny ôla raika tamin'ny zao totolo zao, de sahalan'izany kô no nidiran'ny fahafatesana tamin'ny alalan'ny ota. Ary ny fahafatesana de niparitaka tamin'ny ôla daôly, satria samy nagnota daôly.13 Nandra-pisin'ny lalàna de taketo amizao totolo zao ny ota, fa tsy misy fagnisan-keloka rafa tsy misy lalàna.14Nefa na zany aza, ny fahafatesana de nanjaka nanomboka tamin'i Adama ka hatramin'ny Mosesy, na de takeo amin'jareo zay tsy nagnota otran'ny tsy fankatoavan'i Adama aza, ze talinjon'le hoavy. 15Nefa na izany aza, ny fagnomezana de avy amin'ny fahasoavan'le ôla raika, Jesosy Kristy namena be no an'ny betsaka, de miôtra lavitra no nataon'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fagnomezana avy amin'ny fahasoavan'le ôla raika, Jesosy Kristy, nomena be ho an'ny maro.16Fa ny fagnomezana de tsy ôtran'ny vokatra avy amin'le raika ze agnota. Fa amin'ny lafiny raika, tonga ny fitsarana ho fagnameloana no ny fadisan'ny ôla raika. Fa amin'ny lafiny raika afa, ny fagnomezana miafara amin'ny fagnamarinana de tonga tafaran'ny fahadisoana betsaka. 17Fa ra tamin'ny alalan'ny raika, no hanjakan'ny fahafatesana amin'ny raika de miôtra lavitra no zany ny hanjakan-dreo ze mandray ny hagedan'ny fahasoavana sy ny fagnomezan'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny fiainan'le raika, de Jesosy Kristy.18No zany ary, satria tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny raika no nahatonga ny ôla ho amin'ny fagnamelona, de amin'ny alalan'ny asan'ny fahamarinana raika iany kô no hatongavan'ny fagnamarinana ny fiagnana ho an'ny ôla daôly. 19Fa satria avy amin'ny tsy fankatoavan'ny ôla raika no natonga ny betsaka ho mpagnota, de amin'ny alalan'ny fankatoavan'ny raika iany kô no ahatonga ny maro ho marina.20Fa tonga takao amin'zany ny lalana' mbo ho geda ny fahadisoana. Nefa ra negeda ny fahotany de vao maika negeda ny fahasoavana.21 Nipotra zany mbô, salan'ny nanjakan'ny fahotana tamin'ny fahafa tesana, de ôtran'zany kô no hanjakan'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny fahamarinana ho amin'ny fiaignana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompotsika.
Chapter 6

1Ino àry no koragnintsika? Tokony hanohy hagnano fahotabna ma sika mbô hiabetsahan'ny fahasoavana.? 2tsi mintsy ane zany, isika ze maty amin'ny ota, amin'ny fômba manakôry ma no mbôla hiaignantsika amin'zany. 3Tsy hainareo ma fa reo daôly nataoa Batisa takao amin'i Kristy Jesôsy de natao Batisa takao amin'ny fahafatesana.?4Ka vôlevina niaraka Tamin'Azy niaraka tamin'ny Batisa hoo amin'ny fahafatesagna isika. Nitranga zany mbô ho salan'ny nanganana an'i Kisty tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin'ny fiainam-baovao iany kô. 5Fa ra mikambana ami'Azy amin'ny endriky ny fahafatesana isika, de hikambagna amin'ny fitsangagnany iany kô.6Hai,tsika zany , fa ny tegnantsika talô de nofantsena biaraka tamin'Azy, mba hagnapotena ny tegnan'ny ota. Nitranga zany mbô tsy ho andevon'ny ota tsony tsika. 7Izy ze maty de nambara fa marigna sady afaka amin'ny fahotana8Fa ra niaraka tamin'i Kristy tsika, de mino fa hiara-belogna Amin'Azy iany kô.! 9Tsika de mahafantatra fa nitsanga tami'ny maty Kristy, ary10Fa ra ny momba ny fahafatesagna de maty nohon'ny amin'ny fahotana Izy, maty indre mande ho an'ny daôly Izy. Kanefa, ny fiainana ze hiagnany de iaignany ho an'Andriamanitra. 11De ôtran'zany,tsy maintsy mihevitra ny tegnanareo ho efa maty amin'ny fahotana iany ô anareo, fa velogna ho an'Andriamanitra akao amin'i Kristy Jesôsy.12Non'izany aza avela hanjaka akao amin'ny tegnanareo manjary maty ny ota mbô hagnaranareo ny filàn-drasy. 13Aza amena ny fahotana ny momba ny tegnareo, ho fitaovana ampiasaina amin'ny tsy fahamarignana. Ary ameo ho An'Andriamanitra ny tegnareo sala reo maty Fa velogna ankehitriny.ary ameo an'Andriamanitra ny momba ny tegnareo mbô fitaovana ampiasaina amin'nny famarignana.14 Aza avela anjaka aminareo ny ota.Satria tsy ambanin'ny lalàna anareo, fa ambanin'ny fahasoavana.15Ka ino àry? Tokony hanota va tsika satria tsy ambanin'ny lalàna, fa ambany fahasoavana? Tsisy mintsy ane zany.16 Tsy hainareo va fa le raika ze anoloranareo ny tegnanareo ho mpanompo de le raika ze hankatoavinareo, de le tsy maintsy ankatoavinareo? Marina zany na mpanompon'ny fahotana ze misarika aigny amin'ny fafatesana anareo, na mpanompony fankatoavana ze misarika akaigny amin'ny fahamarinana.17Fa isaorana Andriamanitra! satria efa mpanompon'ny fahotana anareo, kanefa nankatò takao am-ponareo ny fomba fampenarana ze namena an'nareo. 18Nafahana tamin'ny ôta anareo, ary natao mpanompon'ny famarignana.19Mitare ôtran'ny ôla zà noho ny falemen'ny nofonareo, satria raha vô nanolotra ny momba tegnareo ho andevon'ny falotona sy ny ratsy anareo,de ôtran'izany kô de zao, atolory ho andevon'ny fahamarinana ho amin'ny fahamasinana ny momba ny tegnanareo. 20Fa taminaeo andevon'ny ota, de afaka tamin'ny fahamarignana. 21Amin'izao,ino àry no vokatra azonareo tamin'ireo ra ze mamegnatra anareo ami'zao fotôna zao? satria ny vokatr'ireny ra regny de ny fahafatesana.22Fa amin'izao fotôna zao rafa nalana tamin'ny ôta anareo ary tônga mpanompon'Andriamanitra, de mijinja ny fahamarignana. Ny vokatra de ny fiaignana mandrakizay. 23Fa ny tambin'ny ota kosa de fahafatesagna, fa ny fagnome zanan'Andriamanitra kosa de ny fiaignana mandrakizay akao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika.

Chapter 7

1Sa tsy fantatreo, ry ralà ( sattria miresaka amin'ôla mahay ny momba ny lalàna zà), fa ny lalàna de mibaiko ny ôla raiky ra mbôla velogna kô izy?2Fa ny vevavy ze manam-bady de vôfatotry ny lalàna amin'ny vadiny ra mbôla velona izy, fa ra maty le vadiny, de afaka amin'ny lalàn'ny fanambadena izy. 3Noho zany, ra mbôla velona ny vadiny, ra tô ka miray amin'ny leila hafa izy, de ho antsovina hoe mpijangajanga izy. Fa ra maty le vadiny, de afaka amin'ny lalàna izy, tsy mpijangajanga izy ra ôatra ka miray amina leila hafa.4Noho izany , ry ralaiko, de natao maty tamin'ny lalàna iany ko ianareo tamin'ny alalan'ny tegnan'i Kristy. Natao zany mbô hitambaranareo amin'ny sasagny, zany hoe, amin'Izy ze natsangana tamin'ny maty, mbô hafantsika mamokatra ny vô ho an' Andriamanitra. 5Fa tamintsika takao amin'ny nofo,reo filan'ny fahotana, ze nohetsehin'ny lalàna,de niasa takao am'reo rantsantsika mbô hamokatra vô ho an'ny fahafatesana.6Fa ami'zao fotôna zao de nafahana tamin'ny lalàna tsika. Maty tam'le namatotra antsika tsika. Zany de mbô afahantsika manompo amin'ny fanavaozam-pagnahy, fa tsy amin'ny fahantetan'ny soratra.7Ino àry no hotaravintsika? Ny lalàna mihintsy va no fahotana? Tsy hisy mintsy ane zany. Nefa, tsy ho nafantatra ny fahotana mihisty za, ra tsy tamin'ny alalan'ny lalàna zany. Fa tsy ho nahafantatra ny fitsiriritana za ra tsy niteny ny lalàna hoe: "Aza mitsiriritra". 8Fa naka vahana tamin'ny didy ny fahotana ka nahatonga ny fitsiriritana daôly akato amina. Fa ra tsisy ny lalàna de maty ny ota.9Talô za de velona tsisy lalàna,fa rafa tônga ny didy, de velona ndre ny ôta ka maty za. 10Ny didy tokony hitondra fiaignana no nivadika ho fahafatesana ho ana.11Fa ny fahotana de naka vahana tamin'ny alalan'ny didy ka namitaka ana. Tamin'ny alalan'ny didy no namonôny ana. 12No zany ny lalàna de masina; ary ny didy masina,marina, ary tsara.13Ka mo va nivadika fahafatesana ho ana ze tsara? Tsy hisy mihitsy ane zany. Fa ny ota, mbô hahafahany mitranga ho fahotana amin'ny alalan'ze tsara, de nitondra fahafatesana tamina. Zany de mbô ho amin'ny alalan'ny didy, fa ny fahotana de manjary ho tonga tegna fahotana tokôtrany. 14Fa fantatsika fa ara-panahy ny lalàna, fa zà avy amin'ny nofo. Efa namidy ho ao ambanin'ny fagnandevozan'ny ota zà.15Fa ny ra ataoko, de tsy tegna azoko tsara. Satria ze teko atao, de tsy ataoko, ary ze halako,de ataoko. 16Fa ra magnano ze tsy teko aho,de miray hevitra amin'ny lalàna fa tsara ny lalàna.17Fa am'zao fotôna zao de tsy zà tsony no magnano an'zany; fa ny fahotana ze velogna akato agnatiko. 18Fa haiko fa akato aminà, ze kato amin'ny nofoko, dia tsy misy ra tsara miaigna. Fa ny fanirena sy tsara de akato aminà, saingy tsy afa-magnano an'zany zà19Fa ny tsara ze deko de tsy ataoko, fa ny ratsy ze tsy teko, no ataoko? 20Ary ra magnano ze tsy tiko atao zà, de tsy zà tsony no miasa an'zany, fa kôsany ny fahotana ze miaigna akato aminà. 21Ary, zà de nahit, ny fitsipika akato aminâ fa te hagnano ze tsara zà, saingy ny ratsy no akato aminâ zao.22Fa mifalifaly ao amin'ny lalan'Andriamanitra zà amin'ny fanahy maha-ôla. 23Kanefa mahatsikarika fitsipika iray hafa akao amin'ny tegnako zà. Zany de miady amin'zany fitsipika vaovao akao an-tsaiko zan. Mihazogna anà ho babon'ny fitsipika ze momba ny tegnako zany.24Ölo-mahanatra zà! Iza no hagnafaka anà amin'ity tegnan'ny fahafatesagna ty? 25Fa isaorana Andrimanitra amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika! Noho zany, zà tegnako de manompo ny lalàn'Andriamanitra amin'ny saiko. Na de zany aza, de manompo ny fitsipikin'ny fahotana amin'ny nofo zà.
Chapter 8

1Noho izany de tsisy fagnamelona intsony amin'izao fotoana zao ho an'ireo ze akao amin'i Kristy Jesosy. 2Fa ny fitsipikn'ny fanahin'ny fiainana akao amin'i Jososy Kristy no nagnafaka ana tamin'ny fitsipikin'ny fahotanasy ny fahafatesana.3Fa ze tsy afaka nataon'ny lalàna nohon'ny falemenan'ny nofo de nataon'Andriamanitra. Nandefa ny Zanany la tokana Izy tamin'ny endriky ny nofo feno fahotana mbo ho fagnatitra ho an'ny ota,ary nagnameloka ny takao amin'ny nofo izy. 4Nataony zany mbo ho tanteraka akao amitsika ny ra takin'ny lalàna, tsika ze mande tsy araka ny, fa araka ny Fanahy. 5Reo ze miaigna araka nofo de mifantoka amin'ireo zavatry nofo, fa reo ze araka ny Fanahy de mifantoka amin'ireo zavatra ny Fanahy.6Satria ny fisaignana miorina amin'ny nofo de fahatesana, fa ny fisainana miorina amin'ny Fanahy kosa de fiainana sy fiadanana. 7Ny fisaignana miorina de fandrafena eo agnatrehan'Andriamanitra, fa tsy mifagnaraka amin'ny lalàn'Andriamanitra zany, no sady tsy hainy avy ny magnano an'zany. 8Reo ze akao amin'ny nofo de tsy afaka ankasitran'Andriamanitra.9Nefa nareo de tsy akao amin'ny nofofa akao amin'ny Fanahy, raha akao aminareo marina ny Fanahin'Andriamanitra. Fa raha misy ôla tsy magnana ny Fanahin'i Kristy, de tsy an' Azy izy. 10Ra akao aminareo Kristy, de naty nohon' ny fahotana ny vatagna, fa ny fanahy de velona nohon'ny fahamarinana.11Ra ny Fanahin'le nanagnana an'i Jesosy tamin'ny maty no velona akao aminareo de Izy ze nanagnana an'i Kristy tamin;ny maty no hanome fiainana ihany ko ho an'ny tenanareo ze mety maty amin'ny alalan'ny Fanahiny, ze velona akao aminareo.12No izany, ry rala, de mpitrosa tsike fa tsy akao amin'ny nofo mbo hiaigna araka ny nofo. 13Fa raha miaigna araka ny nofo anareo, de ho foaty,fa raha amin'ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tegna de ho velona anareo.14Fa ôtran'ny reo daôly voatariky ny Fanahin'Andriamanitra, zareo reo de Zanak'Andriamanitra. 15Fa tsy nandray ny fanahin'ny fagnadevozana ndre anareo, ka matatra. Fa kosa, nadray ny Fanahin'ny fanangana-janaka anareo, ze agnatsovatsovantsika hoe:'' Aba Ray ô!''16Ny fanahy mintsy no vavolombelogna amin'ny fanahintsika fa zanak' Andriamanitra isika. 17Ra zanaka tsika de mpandova iany kô, mpandova an'Andriamanitra, Ary mpiray lova ao amin'i Kristy tsika. Ra tegna mijaly miaraka amin'Azy tokotra tsika de amena voninahitra miaraka amin'Azy kô.18Fa ataoko fa reo fijalena am'zao fotôna zao de tsy mendrika ampitoviana am'le voninahitra aseo amintsika. 19Fa ny voary da magnantena lôtra de mandigny ny fampiseona reo zanak'Andriamanitra.20Fa ny voary de natao ho zava-pôgna tsy noho ny sitrapony manokana fa noho le nagnano an'zany. Zany de akao am'le toky namena, 21fa reo voary mintsy no alana amin'ny fagnandevozan'ny falovana ary hitondra aigny amin'ny faafana amin'ny voninahitr'i ny Zanak'Andriamanitra zany. 22Fa fantatsika fa no voary daôly de miara-misento sy miara-miasa akao agnatin'ny fanaintaignana na am'zao fotôna zao aza.23Tsy zany fogna, fa na ny tegnantsika aza, ze managna ny vôlom-bokatry ny fanahy na ny tegnantisika aza de misento akao agnatintsika mandigny ny fananganana antsika ho zanaka, de ny fagnavotana ny tegnantiksa. 24Fa tam'zany toky zany no namonjena antsika fa ze atokisantsika fa hitranga de mbôla tsita, fa iza no mandigny am-patokina ze efa hitany? 25Fa ra matoky am'ze mbôla tsy hitantsika tsika de mandigny an'zany am-paharetana.26Ötran'zany kô, ny fanahy der magnampy akao amin'ny fahalementsika, fa tsika tsy malala ze vavaka tokony ataontsika, fa ny fanahy mintsy no mifona ho antsika amin'ny fisentoana tsy hay tenenina. 27Izy ze mandinika ny fo no nafantatra ny dikan'ny Fanahy, satria Izy no nifona ho an'ny mpino araka ny sitrapon'Andriamanitra.28Fantatsika fa ho an'reo ze te an'Andriamanitra, de miaraka ampiasainy ho amin'ny tsara avokoa ny za dahôly. Fagnamarihana: Ra tokony hoe: Niaraka ampiasain'ny ho amin'ny tsara avokoa ny daôly) ra tokony hoe: Miaraka ampiasainy amin'ny tsara avokoa ny ra daôly, de ny dikan-teny sasagny talô magnano hoe: Ny ra daôly de miaraka miasa ho amin'ny tsara) ho an'reo ze voantso araka ny fandaharany. 29Satria reo ze fantany mialô, de nitindreny mialô iany kô mbo hitovy endrika amin'ny Zanany mbo lamatoa,de ze nantsoviny iany koa, 30Reo ze nantsoviny de namarininy kô, reo ze namarininy de nomeny voninahitra kô.31ino ary no tokony hotenenintsika momba reo ra reo? Ra momba antsika Andriamanitra, iza no mampatatra antsika. 32Izy ze tsy niaro ny Lanany Là tokana nanolotra Anazy ho antsika daôly akôry no tsy hagnomezanyy antsika maimaim-poagna niaraka Aminazy ny ra daôly iany kô.33Iza no hitondra fiampangana hanohitra ireo olom-boafidin'Andriamanitra. Andriamanitra no le Raika ze magnamarina ananjy.? 34Iza no le raika hagnameloka? Kristy no le raika ho antsika, ary miôtra an'izany, nitsangan iany kô Izy Manapaka miaraka amin'Andriamanitra35Iza no hampisaraka amtsika amin'ny fitiavan'i Kristy.? Fahorena, se fijalena, se fangnenjena, se hanoagnana se fitanjahana se loza se sabatra. 36Araka ny voasoratra hoe: Noho anao de vôvono andro lava zahay. Noraisinay toy ny ondry ho vonoina zahay.37Akao agnati'zany ra daôly zany de manôtra noho ny mpandresy zahay amin'ny alalan'le te anay. 38Fa resy lahatra za fa na ny fahafatesana na ny fiaignana, na reo anjely na reo fanjakana, na reo ra amin'zao fotoagna zao, na reo ra ho avy, na reo hery, 39na ny ambo na ny laligna, na zava-boary hafa, de tsy hampisaraka antsika amin'ny fitiavan' Andriamanitra, ze akao amin'i Krosty Jesôsy Tompontsika.

Chapter 9

1Milaza ny marigna akao amin'i Kristy za, tsy mandainga zà, ary ny eritrereitro no vavolombelona miaraka aminà akao amin'ny Fanahy Masina,2fa ho anà de misy alahelo gedabe ary fahorena tsy mijanona akato am-poko.3Fa afaka nagniry zà fa zà tegnako de ho vôozogna ka hiataka amin'i Kristy noho ny amin'reo ralako, reo ze raika firazanana aminà araka ny nofo.4Zareo de Israelita? Zareo de managna fananganana, ny voninahitra, reo fankatoavana, ny fagnomezan'ny lalàna, ny fideran'Andriamanitra, ary reo fampagnantegnana.5Ny an'jareo de reo razagna ze natonga an' i kristy ho tonga nofo, Izy ze Andriamanitra ambonin'ny daôly. Ho deraina mandrakizay ane Izy. Amena.6Fa tsy fogna reo ze nampagnantegnain'Andriamanitra. Fa tsy izay daôly avy aignt Isarely no tegna an'Isarely. 7Na reo tarank'i Abrahama daôly no tegna zanagny . Fa: "Amin'ny alalan'Isaka no hiantsoany reo taranakao."8Zany hoe, reo zanaky ny nofo de tsy zanak'Andriamanitra. Fa reo zanaky ny fampagnantegnana no raisina ho taranaka. 9Fa ôtran'zao no tenin'ny fampagnantegnana: "Amin'zany fotôna zany de ho avy Za, ary homena zazalà Saraha."10Tsy zany iany, fa avy akeo kô Rebeka hanagn'anaka amin'ny leilà raika, Isaka raintsika_11fa mbôla tsy teraka avy reo zaza ary mbôla tsy nagnano ra tsara na ratsy, mba ho tô ny tanjon'Andiamanitra araka ny fisafidianana, tsy nony reo asa, fa non'Izy ze magnantso_12nambara tamin'dravevavy hoe: "Ny zokiny de hanompo ny zandriny."13Zany de ôtrany ze vôsoratra hoe: "Jakoba teko, fa Esao halako."14Ino ary no ho koragnontsika? Misy tsy famarinana ma miaraka amin'Andriamanitra?15Tsisy mintsy ane zany. Fa ozy Izy tamin'i Mosesy hoe: "Hamindra fo amin'ze teko hamindrana fo Za, ary hangoraka 'reo ze teko hangorana Za."16Non'zany ary, de tsy non'izy mikasa zany,na non'izy ze mihazakazaka, fa nony Andriamanitra, ze nampiariary ny famindram-po.17Fa ny Soratra Masina nagnambara tamin'i Farao hoe: "Fa non'zany antony zany no nagnandratako anao, mba hampiseko aminao ny heriko, ary mba hagnambarana ny agnarako eran-tany."18Non'zany, Andriamanitra de mamindra fo amin'ze tiny, ary ze tiny, no ho hamafisiny fo.19Avy akeo hilaza aminà nareo hoe: "Naôna no mbôla mahita tsiny foagna Izy?" Fa iza no mahatohitra ny sitrapony? 20Mifanotra amin'zany, raleila, iza ma enao no mamaly manotra an'Andriamanitra? Moa zay efa novolalaigna hilaza amin'ny mpamolavola zany hoe: "Naôna no nataognao ôtra'zao za?"21Moa ny mpanefy vilany tsy magnana zo amin'ny tanimanga ka ny vongana raika iany no hanamboarana fitoerana amin'ny andro voatokagna, ary fitoerana raika hafa amin'ny andavanandro?22Aôna raha Andriamanitra, ze te-ampiseo ny fahatezerany sy hampahafantatra ny fahefany, no niaritra tamim-paharetagna reo fitoeran'ny fahatezeragna nomanina ho amin'ny fasimbaina? 23Aôna rafa nataogny zany mba hampahafantarany haren'ny voninahiny akeo amin'reo fitoeran'ny famindram-po efa nomagniny mialô ho amin'ny voninahitra? 24Aôna rafa nataogny ho antsika kô zany, zay nantsoigny iany kô, tsy ho eo amin'ny samy Jiosy iany, fa ho eo amin'ny samy Jiosy iany, fa ho eo amin'reo Jentilisa iany kô?25Araka ze nolazaigny takao amin'i Hosea iany kô hoe: "Hantoiko hoe ôloko zay tsy ôloko, ary hoe malalany le tsy malala.26Avy akeo de aigny amin'zay nilazàna tamin'jareo hoe: "Tsy ôloko nareo," akeny no hiantsoana azy reo hoe: "zanak'Andriamanitra velona."27Isaia nagnatso mafy ny amin'ny Isiraely hoe: "Raha ôtrany fasika akaigny amin'ny ranomasina ny isan'ny zanak'Isiraely, de ho vôvonjy ze sisa tavela,28fa ny Tompo hitondra ny teniny aketo an-tany, feno ary tsy ho ela."29Araka ny nolazain'Isaia talô hoe: "Rafa ny Tompo tompon'ny maro no tsy namela taranaka ho antsika, de ho ôtrany an'i Sodoma tsika, ary lasa ôtran'i Gomora."30Ino ary no hokorantsika? Fa reo Jentilisa, zay tsy nikaraka ny famarinana, no nahazo ny famarinana, ze famarinana avy tamin'ny finona.31Fa Isiraely, ze nitady ny lalàn'ny famarinana, de tsy tonga tamin'zany.32Manakory ma? Satria zareo tsy nikaraka 'zany tamin'ny finona, fa tamin'ny asa. Tafitoina ny vaton'ny fanafintohinana zareo, 33araka zay efa vôsoratra hoe: "Jereo, akao Ziona no ametrako ny vaton'ny fanafintohinana sy vatolampin'ny fandikan-dalàna. Ze mino zany de tsy ho megnatra."
Chapter 10

1Ry rahalà, ny irin'ny foko sy angatahiko amin'Andriamanitra ho an'azy reo , de ny famonjena an'azinareo. 2Fa mijoro vavôlombelona momba an'zareo zà fa mafana fo ho an'Andriamanitra zareo, nefa tsy araka ny fahaizana. 3Fa tsy mafantatra ny fahamarin'Andriamanitra reny, ary mokarakara hametraka ny fahamarinan-jareomanokana. Tsy magneky ny fahamrignan'Andriamanitra zaero.4F Kristy no fatanteran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'ze daôly mino. 5Fa Mosesy nanoratra momba ny fahamarinana ze avy amin'ny lalàna hoe: " Ny ôla ze magnano ny fhamarignan'ny lalàna de hiaigna amin'izany fahamarignana zany?6Fa ny fahamarignana ze avy amin'ny finônad mikoragna hoe: " Aza mitare zao akao am-po hoe:' Iza no hiakatra aigny an-dagnitry?" (zany de, mampidigna an'i Kristy) 7Ary aza mikoragna hoe: "Iza no hidigna akaigny amin'ny laligna?" (zany de, mampiakatra an'i Kristy amin'ny maty)8Fa ino no taravin'zany? "Akeo akaikinao ny teny, akao am-bavanao ary akao am-ponao." Zany no koragnin'ny finôna, zay koragninay. 9Fa ra amin'ny vavanao no agnekenao an'i Jesôsy ho Tompo, ary mino amin'ny fonao fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty Izy, de ho vonjena anao. 10Fa amin'ny fo no inôn'ny ôla ny fahamarignana,ary amin'ny vava no agnekeny ny famonjena.11Fa ozy ny Soratra Masina hoe: " Tsy ho megnatra ze daôly mino an'Azy". 12Fa tsisy fahasamihafana akeo amin'ny Jiosy sy Grika. Fa Tompo tokana iany no Tompon'izay daôly, ary harem-pahasoavana ho an'ze daôly magnantso an'Azy Izy. 13Fa ze daôly magantso ny Anaran'ny Tompo no ho vonjena.14Manakôry ary no hanajareo magantso an'Azy ze tsy ninôny? manakôry no hafanjareo mino an'Azy tsy hènjareo? Manakôry no hafan-jareo mareigny rà tsisy mpitory. 15Ary manakôry no hafanjareo mitory, ra tsisy nagniraka? Araka ny vôsoratra hoe: " Endrey ny hatsaran'ny taongotr'ireo mpagnam-bara ny Filazantsara"16Kanefa tsy izy daôly no nitaino ny Filazantsara. Fa ozy Isaia oe: Tompo,iza no nino ny hafatray?" 17Non'izany ny finoana de avy amin'ny fitainoana ary ny fitainaoana de avy amin'ny tenin'i Kristy.Fa ozy zà hoe: "Moa tsisy naregny ma zareo?" Iôny, tegna marigna, "Ny feonjareo de efa nivôka magneran-tany, ary ny koragnan-jareo hatraigny amin'ny faran'izao tontolo zao."Ankôtr'izany, ozy zà hoe: "Moa tsy nafantatra ny Israely ma?" Tamin'ny vôlôny Mosesy nikoragna hoe: "Ho ataoko saro-piaro amin'ize tsy irenena avy anareo." Amin'ny firenena ze tsisy fahaizana, ho ataoko tong amin'ny fasosena anareo"20Ary akeo tegna sahy tokôtra Isai rafa nnitare izy hoe: "Hitanjareo ze tsy nikarakara Anà za. Nibôgna taminjareo ze tsy magnontany Anà zà." 21Fa ozy tamin'Israely hoe: Mandrampiavin'ny andro de magnatsotra ny tagnako amin'ôla tsy mankato sy mafy lô."

Chapter 11

1Ary nitare za, naren'Andriamanitra ma ny ôlony? Sagnatre ane zany. Fa za iany kô de Israelita, taranak'i Abrahama, avy amin'ny fokon'i Benjamina.2Andriamanitra de tsy nagnary ny ôlony, ze efa fantany takeo alô. Tsy fantatrareo ma ze vôlazan'ny Soratra Masina momba an'i Elia, de le fitaraignany tamin'Andriamanitra namely an'Israely? hoe: 3Tompo, zareo de namono reo mpaminagninao, namotika ny alitaranao. Za raika sisa tavela, ary mifofo ny aignako zareo.4Fa ino no valin-teny nilazain'Andriamanitra an'azy? "Nanokana fito arivo lahy ho an'ny tegnany Za ze tsy nandoalika takeo amin'ny Bala. 5De ôtrizany amin'zao ankehitriny izao iany kô de misy sisa iany nony fisafidianana amin'ny fahasoavana.6Fa ra avy amin'ny fahasoavana zany, de tsy avy amin'ny asa intsony. Fa ra zany de tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana. (Fagnamarihina: Ny antontan-taratasy sasagny talô de mivaky hoe: "Kanefa ra avy amin'reo asa izany, de tsy fahasoavana intsony; fa ra izany de tsy asa intsony ny asa.")7Ino ary? Ny ra ze nikaran'Isiraely, de tsy azony, fa ny vôfidy no nahazo izany, ary namafisina reo ambiny. 8Zany de araka ny efa vôsoratra hoe: Andriamanitra de nagnome an'azy 'reo ny fagnahin'ny fitavozavozana, maso tsy haitan'jareo, ary sofina tsy handregnesan'jareo, mandraka gniany."9Ary ozy Davida hoe: "Ôka ny latabany ho harato sy fandrika, ho vato mamingana sy ho valifaty ho an'azy reo. 10Ôka ny mason'jareo homaizigna mba tsy hatazagna, ary ôka hiondrika mandrakizay ny lakamosin'jareo".11De oza za hoe: "Mo ma tafitona reo mba ho lavo?" Sagnatre ane zany. Fa kosa, avy amin'ny fahavalon'jareo, no nahatongavan'ny famonjena takeo amin'reo Jentilisa, mba hampialona an'azy 'reo. 12Ary raha ny fahavalon'jareo no haren'izao tontolo izao, ary raha ny fahaverezan'jareo no haren'reo Jentilisa, de magnano aona ny halehiben'ny fahatanterahan'jareo?13Fa ankehitriny de mikoragna aminareo Jentilisa za, ary raha mbôla apostolin'ireo Jentilisa za, de mankasitraka ny fanompoko. Angamba hampialona reo ze avy amin'ny nofoko manokana za. 14Angamba hamonjy ny sasagny amin'jareo tsika.15Fa raha midika fampihavanan an'izao tontolo izao ny fandavana an'azy 'reo, de ino no handraisana an'azy 'reo izany fa fiaignana avy amin'ny fafatesana? 16Raha vôtokona ny vokatra vôlôny, de ny ampany amin'ny kobam-bary kô. Raha vôtokany ny fakany, de ôtran'zany kô ny rantsagny17Fa raha notapana ny rantsana sasagny, ary raha anao, sampagna olivadia,no natambatra takeo amin'jareo,ary raha nifampizara tamin'jareo ny faka-mamokatry ny kakazo oliva anao, 18aza mirearea amin"reo sampagna. Fa raha mirearea anao, de tsy anao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.19De hiteny anao hoe: "Nitapana hiala reo rantsagny mba hafahako mifandray amin'azy".20Marina zany. Nony tsy finon'jareo de notapana hiala zareo, fa nareo de mijoro tsara nony finonareo. Aza magnano ny tegnanareo ho ambony, fa matahôra.21Fa raha ny tegna sampagna aza tsy navelan'Andriamanitra, de tsy ho avelany iany kô anao.22Ary, tazano, ny famoram-po sy ny fahasaro-pon'Andriamanitra. Akeo andagniny, ny fasaro-po de tonga amin'reo Jiosy ze lavo. Fa aketo ankilany kosa, ny hatsaram-pagnan'Andriamanitra de tonga aminareo, raha maharitra akao amin'ny hatsaram-pagnahiny anareo. Fa raha tsy zany de ho tapahina kô anareo.23Ary na ireigny aza, raha tsy manoy amin'ny tsy finony zareo, de hatambatra. Fa Andriamanitra de afaka mamerigna manambatra an'azy 'reo ndré.24 Fa raha notapana tamin'ny kakazo oliva-dia anareo, ka natambatra tamin'ny kakazo oliva tsara, de salany akory ny foaran'ny habetsak'reo Jiosy, ze sampagna vôjagnahary, natambatra tamin'ny kakazo olivan'jareo manokana?25Fa tsy teko tsy hafantatra anareo, ry ralà, ny amin'zany ra-miafina izany, mbô tsy haha-hendry anareo amin'ny eritreritrareo manokana. Zany ra-miafina zany de efa nahamafy lô ny ampany amin'Isiraely, mandra-piavin'ny fafenoan'reo Jentilisa.26Nony zany de ho vonjena avokoa ny Isiraely daôly, araka ny vôsoratra hoe: "Hivôka avy aigny Ziona ny mpagnafaka. Hangala ny haratsiam-pagna amin'i Jakoba Izy,27ary zany no ho fanekem-pihavanako amin'jareo, rafa hangala ny fahotan'jareo Za."28Amin'ny lafiny raika makasika ny filazantsara, de fahavalo zareo nony aminareo. Amin'ny lafiny raika hafa araka ny safidin'Andriamanitra, de malala zareo nony reo razagna. 29Fa reo fagnomezana sy antson'Andriamanitra de tsy miova.30Fa anareo de tsy nankatô an'Andriamanitra talô, kanefa amin'zao fotona zao anareo de nandray ny famindram-po nony tsy fankatoavan'jareo. 31Ôtran'zany iany kô, amin'zao fotona zao 'reo Jiosy de tsy nagneky. Ny vokany de tamin'ny alalan'ny famindram-po ze nabôgna anareo no mety handraisan'jareo ny famindram-po iany kô amin'zao fotona zao.32Fa Andriamanitra efa nagnidy ny tsy fankatoavana rehetra, mba afahany mampibôgna famindram-po amin'ny daôly.33Endrey, ny halaligny 'reo aren'ny fahendrena sy fahalalan'Andriamanitra! Tsy takatry ny saigna reo fitsarany, ary reo lalany de tsy hay refesina! 34"Fa iza no nahalala ny fihevitry ny Tompo na iza no tonga ho mpanolo-tsigna an'Azy?35Na iza no nagnome ra an'Andriamanitra alô, ka tsy maintsy hanoneran'Andriamanitra an'azy ndre?"36Fa avy Amin'Azy sy amin'ny alalany ary an'Azy ny ra daôly. Ho Azy mandrakariva ny voninahitra.Amena.
Chapter 12

1Mangataka anareo za nony zany, ry ralà, non'ireo famindram-pon'Andriamanitra mba hanolotra ny vatanareo ho sorogna velona, masina, eken'Andriamanitra. Zany no fanomponareo araka ny tokony ho izy.2Aza mitovy amin'zao tontolo zao, fa miovà amin'ny fagnavaozana ny saignanareo. Atôvo zao mba ho hainareo ze tsara, azo ekena, ary ny sitrapo lafatr'Andriamanitra.3Fa ambarako, nohon'ny fasoavana ze namena ana, ny tsy tokony hanagnan'ny daôly ze akeo aminareo eritreritra hagnambony ny tegnany mihôtra ze tokony ho eritreretiny. Fa kosa, tokony hieritreritra am-pahendrena zareo, ôtrany nagnomezan'Andriamanitra fatram-pinona ny tsiraikaraika avy.4Fa magnano rantsagna maro amin'ny vatantsika tsika, kanefa tsy mitovy avokoa ny asan'ireo rantsagna 'reo. 5Mitovy amin'zany tsika ze maro be de vatagna raika iany akao amin'i Kristy, ary rantsagna manokana amin'ny tsiraikaraika.6Managna fagnomezam-pasoavana samy hafa isika araka ny fasoavana ze nomeny antsika. Raha faminagnina no fagnomezam-pasoavan'ny raika, de ôka atao araka ny haben'ny finony. 7Raha fanompona no fagnomezam-pasoavan'ny raika, de ôka izy hanompo. Raha nisy raika nahazo fagnomezam-pasoavana hampianatra, ôka izy hampianatra. 8Raha fampaherezagna no fagnomezam-pasoavan'ny raika, ôka izy hampahery. Raha magnome no fagnomezam-pasoavan'ny raika,ôka izy hagnano zany amim-pahalala-tagnana. Raha hitarika no fagnomezam-pasoavan'ny raika, ôka zany ho vita am-pitandremana. Raha hampiharihary fangoraham-po no fagnomezam-pasoavan'ny raika, ôka zany ho vita am-piravoravôna.9Ôka ny fitiavana tsisy fihatsaram-belatsihy. Ankalao ny ratsy; tano mafy ze tsara. Raha ny momba ny fitiavan'ny mpiralà, mifankatiava aminareo tsiraikaraika avy.10 Raha ny momba ny fagnomezam-boninahitra, mifagnajà.11Ra ny momba ny fikirizagna, aza misalasala. Ra ny momba ny Fagnahy, ôka hafana fo. Momba ny Tompo, tompoy Izy. Mifalia ao amin'ny fahatokiagna zay 12hagnananao momba ny ho avy. 13Mifampizara amin'zay ilain'ny mpino. Mitadiava fomba maro hampiantranoagnao ô'la.14Misaora reo zay magnenjika anao; misaora ary aza magnozona. 15Miara-mifaly amin'jareo zay mifaly; miara-mitomany amin'jareo zay mitomany. 16Mitovia fisaignana amin'ny tsiraikaraika. Aza misaigna amin'ny fomba mirehareha, fa ekeo reo ô'la ambany. Aza mihevitra ny tegnanao ho hendry.17Aza mamaly ratsy ny ratsy. Magnaova ra tsara maro akeo imason'ny ô'la daôly. 18Ra mety, araka zay azonao atao, mihavagna amin'ny ô'la daôly.Aza mamaly ratsy ny tegnanareo, ry malala19 fa omeo lalana ny fahatezeragna Andriamanitra. Fa efa vaosoratra hoe: "Ahy ny vali-faty; Za no hamaly, hoy ny Tompo." Fa ra nôgna ny fahavalognao, omeo ho sotroigna izy.20 Fa ra magnao zany enao,de hanangona vain'ofo akeo amin'ny lohany." 21Aza magneky ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.
Chapter 13

1Ôka fagnahy daôly hankatô reo magnam-pahefana agnambo, fa tsy misy fahefana ra tsy avy amin'Andriamanitra. Ary reo magnam-pahefana misy de efa voatendrin'Andriamanitra.2 No zany ze manoitra zany fahefana zany de manoitra ny didin'Andriamanitra; ary reo ze manitra zany de ahazo fitsaràna amin'ny tegnan'jareo.3Satria reo mpanapaka de tsy fampitaôrana ho andreo asa tsara fa ho andreo asa ratsy. Magniry ny tsy hatatra ny raika ao amin'ny fahefana va nareo? Magnanôva ny tsara, de deraina amin'zany anao.4 Fa izy de mpanompon'Andriamanitra ho anareo amin'ny tsara. Fa ra magnano ny ratsy anareo, de mataôra, satria tsy mitondra ny sabatra tsy amign'antony izy. Fa izy de mpanompon'Andriamanitra, mpamaly ny fahasosena amin'le magnano ny ratsy.5 No zany de tokony hankatô ianareo, tsy nohon'ny fahatezerana iany, fa nohon'ny fieritreretina ihany kô.6No zany de mandô hetra iany kô anareo. Fa mpanompon'Andriamanitra reo manam-pahefana, ze miadidy zany ra zany tsy ankiato.7 Aloavy amin'ny tsiraikaraika ze tokony ho anjareo: mandoava etra amin'ze tokony andoavana anazy; mandoava fadin-tseranana amin'ze tokony andoavana anazy; mataôra an'ze takony ataôrana; magnajà an'ze mendrika izany.8Aza magnagna trosa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavana iany. Fa ze te ny magnondidigna anazy de na hatanteraka ny lalàna:9 Betsaka reo didy: "Aza mangala-badin'ôla, aza mamono ôla, aza mangalatra, aza mitsiriritra," ary ra misy didy afa ankôtra reo kô, de vôfe amin'ty fehezanteny ty zany: "Tiavo ny namanao sala ny tegnanao." 10Ny fitiavana de tsy mandratra ny magnodidina; no zany, ny fitiavana no fahatanteran'ny lalàna.11No zany, fantatrareo ny fotôna,fa efa fotôna hifoazanareo amin'ny toromaso sady zao. Fa amin'zao efa magnakeky no zay ninoantsika tamin'ny vôlony ny fanavotana antsika.12 Mandroso ny alina, ary magnakeky ny andro. No zany anda harena reo asan'ny maizina, ary anda tsika hitafy ny fiadian'ny fahazavana.13Anda izotra amin'ny lalana mahitsy, sala ny amin'ny andro, fa tsy ôtran'reo firavoravona tsy am-paendrena na kô ny fahamamôna; ary anda tsy ande amin'ny fahavetavetana na amin'ny filàna tsy vôfe, ary tsy ho amin'ny fifanoerana na fialonana. 14Fa mitafia an'i Jesosy Kristy Tompo, ary aza magnome hirika ho an'ny nofo, mba hagnomezana fahafam-po ny filàny
Chapter 14

1Raiso na ze rehetra malemy amin'ny finôna, aza mitsara momba ny tohan-kevitra. 2Ny ôla raika de magnana finôna hinana na ino na ino, fa ny raika, hafa ze malemy de tsy minana afa-tsy legioma.3Ôka ze minana ny ra daȏly tsy hagnamavo ze tsy minana. fa Andriamanitra efa nagneky an'azy. 4Iza ma anao, anao ze mitsara ny mpiasan'ȏlon-kafa? akeo agnatrean'ny tompony izy no mitsangana na lavo, fa hatsangana izy, satria ny Tompo de afaka manangana an'azy5Ny ȏla raika de mihevitra fa misy ny andro tsara noho ny daȏly. Ny hafa kosa de mihevitra fa mitovy ny andro daȏly. Avelay ny tsiraikaraika ho resy lahatra araka ny saignany avy. 6Ze matandrina ny andro, de mitandrina an'zany ho an'ny Tompo, ary ze minana de mināna ho an'ny Tompo; fa misaotra an'Andriamanitra izy. Fa ze tsy minana de mifady hanina ho an'ny Tompo, izy kȏ de misaotra an'Amdriamanitra.7Fa tsisy miaigna ho an'ny tegnany tsika,ary tsy misy maty ho an'ny tegnany. 8Fa ra miaina isika de miaigna hoan'ny Tompo, ary ra maty isika de maty ho an'ny Tompo. 9Fa ho amin'zany antony zany no nahafatesan'i Kristy ary navelomany ndre, mbo hatonga Anazy ho sady Tompon'ny maty sy ho Tompon'ny velona10Fa anao, nagnino no mitsara ny ralanao? Ary anao nagnino anao mankahala ralanao? Fa tsika daȏly de mbola hitsagnana ho tsaraina eo agnolanan'ny seza fitsaran'Andriamanitra. 11Fa efa voasoratra hoe: '' Ra mbola velona ko Za'' hoy ny Tompo,'' de hiforitra akeo agnolonako ny loalika daȏly, ary ny lela daȏly de hidera an'Andriamanitra.''12Noho zany ary, tsika tsiraikaraika avy de hagnano filazana ny tegnany akeo amin'Andriamanitra. 13Ka ȏka tsika tsy hifampitsara intsony, fa kosa hifagneky izao,mba tsy hametraka vato manafitona na fandrike ho an'ny ralay.14mafantatraa za ary resy latra ao amin'i Tompo Jesosy, fa tsy misy madio amin'ny tegnany. fa ho an'ze mandray na ino n aino ho tsy madio ihany, de tsy madio zany ho anazy. 15Satria ra malaelo nohon'ny sakafo ny ralanao, de tsy mande am-pitiavana mitsy anao. Aza aratina nohon'ny amin'ny ahanina ze namoizan'i Kristy ny aignany.16Fa aza mamela ze heverinao ho tsara ho aratsina. 17Fa ny fanjakan'Andriamanitra de tsy momba ny ahanina sy rano fisotro fa momba ny famarinana, fiadanana, ary fifalina ao aoamin'ny Fanahy Masina18Fa ze manompo an'i Kristy arak'izany de ankasitsan'Andriamanitra sy eken'ȏla. 19Noho zany , aoka tsika hanohy reo zavatra ny fiadanana sy reo ra ze manefy ny tsiraikaraika20Aza aratina nohon'ny amin'ny ahanina ny asan'Andriamanitra, madio ny ra daȏly, kanefa ratsy ho an'ny ȏla ze minana an'azy ary matonga an'azy ho tafitona. 21Tsara ny tsy omankana,na misotro divay na ny ra daȏly ze matafitona ny ralanao.22Ny finȏna anagnanao tahirizo akao aminnao sy Andriamanitra.Sambatra ze tsy magnameloka ny tegnany amin'ze ekeny. 23Ze misalasala de meloke ra minana satria tsy tamin'ny finȏna zany. Ary na ino na no tsy avy amin'ny finȏna de fahotana.

Chapter 15

1Ary tsika ze matanjaka de tokony handefitra ny falemen'ny mavozo, ary tsy tokony hagnano ze mafinaritra ny tegnantsika. 2Aoka ny tsiraikaraika avy amintsika hagnano ze mafaly ny mpiara-belogna amin'azy fa zany no tsara, mba hanondrotagna an'azy.3Fa na Kristy aza hagnano ze nainaritra ny tegnany. Fa zany kosa, de araka ny efa vôsoratra hoe: "Ny faniratsiran-jareo ze maniratsira anao de nianjera taminà." 4Fa na ino na ino vôsoratra takeo alô de vôsoratra ho fampiarana anstika, mba amin'ny fahelany sy aminn'y alalan'ny fampaherezan'ny Soratra Masina no hagnanatsika toky.5Andriamanitry ny faharetana sy fampaherezana anie hagnome fisaignana mitovy ho an'ny tsiraikaraika avy araka an'i Kristy Jesôsy. 6Izy ane hagnano an'zany mba ho amin'ny fisaignana raika sy amin'ny vava raika iany no hiderànareo an'Andriamanitra sy Rain'ny Tompontsika Jesôsy Kristy. 7Non'izany mifandraisa, ôtran'ny nandraisan'i Kristy anareo ihany kô aza, ho fiderana an'Andriamanitra.8Fa koragniko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny vôfora ho an'ny Fahamarinan'Andriamanitra,mbô hahafahana manamarina reo fampagnantegnana ze namen'ile Ray, 9ary hoan-jaeo Jentilisa mba hagnomezam-boninahitra an'Andriamanitra non'ny famindram-pony. Izany de araka ny efa vôsoratra hoe: "Non'izany de hagnome fiderana Anao akeo aminjareo Jentilisa zà ary hihihra fiderana ny Agnaranao."10Mbôla vôlaza hatrany hoe: " Miravoravô, miaraka amin'ny vaôkany ry Jentilisa." 11Ary kô hoe: "Derao ny Tompo, ry Jentilisa daôly; Avilay ny ôla daôly hidera an'Azy."12Ozy ndre, Izaia hoe: "Hisy fanjakan'i Jes, ary l Raika ze hitsangana hagnapaka aminjareo Jentilisa hagnana fatokisana aminjareo Jentilisa."13Ary Andriamanitry ny fahatolisana ane hameno anareo amin'ny fifalena sy fedagnana daôly amin'ny finôna,mba ho feno fatokisagna anareo, avy amin'ny herin'ny Fanahy Masina.14Ny tegnako zao iany kô sz resy lahatra ny momba anareo, y ralà. Resy latra zà fa anareo iany kô de feno fahatsarana, feno ny fahaizagna daôly. Resy latra zà fa anareo iany kô de afaka mifagnanatra.15Fa manôratra tsy am-pisalasalana aminareo zà fa momba reo ra sasagny mba ampitsahivina anareo ndre, non'ny fagnomezam-pahasoavagna ze namen'Andriamanitra an'azy. 16Zany fagnomezam-pahasoavagna zany de tokony mba hanompoako an'i Kristy Jesôsy nalefa taigny amin'ny Jentilisa, mba hnaolotra ôtran'ny sorogna ny Filazantsar'Andriamanitra. Tokony hataoko zany mba ho azo ekena ny fanatitr'ireo Jentilisa Vôtokan'ny Fanahy Masina.17Non'izany ny hafaleko de akao amin'i Kristy Jesôsy sy reo zavatr'Andriamanitra. 18Fa tsy sahy hiresaka na ino na ino afa-tsy reo ra vitan'i Kristy tamin'ny alalako ho an'ny fagnekenjaeo Jentilisa zà. Reo ra reo de tamin'ny koragna sy asa, 19tamin'ny herin'ireo faantaragna sy fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina. Zany de mba avy aigny Jerosalema, sy lavidavitra ôtran'i Ilyrikioma no hahafahako magantanteraka ny Filaazntsaran'iKristy.20Amin'izany, ny fagnireko de ny hitory ny filazantsara, fa tsy haigny amin'ize ahaizana an'i Kristy amin'ny agnarana,mba tsy hagnorenako akeo amin'ize efa nagnorenan'ny hafa. 21Zany de araka ny vôsoratra hoe: Taminjareo ze tsy nikoragna an'Azy no atazagna an'Azy, ary ze tsy naregny no handray."22Non'izany iany kô de vôsakana matetika tsy ho aigny aminareo zà. 23Fa amizao fotôna zao tsy managna tôrana amin'ireo faritra reo tsony zà; ary taona maro no efa nagniriko mafy ho aigy aminareo.24Non'izany na vena na vena handehanako aigny Espaina, de magnantena zà ny atazagna an'nareo rafa mandalo, ary aterinareo akaigny amin'ny andeanako, rafa avy ny fianaanareo vetiketika zà. 25Fa amizao fotôna zao de hoaigny Jerosalema zà hanompo an'jareo mpino.26Fa fifalen'i Makedonia sy Akia ny hagnano fandraisan'anjara ho an'jareo mahantra agnisan'ireo mpino ze akaigny Jerosalema. 27Iôny, fifalena ho an'jareo zany, ary mpitrôsa amin'azy tokôtra zareo. Fa ra ny Jentilisa na nizara tamin'ny ra masin-jareo, de tokony hanompo an'jareo iany kô zareo amin'reo ra ara-materialy.28Non'zany , rafa notanterako zao asa zao ary nagnamafy fa vôrainjareo ny vokatra ze nangonina, de ho aigny Espaina zà ary hitsidika anareo amin'ny lalako. 29Haiko fa refa mankaigny aminareo zà de hiditra amin'ny fafenôn'ny fagnampen'i Kristy.30Amizao fotôna zao mampirisika anareo za, ry rahalà, amin'i Jesôsy Kristy Tompontsika, sy amin'ny fitiavan'ny Fanahy Masina, mba hiaraka hiady aminà nareo amin'ny vavaka ataonareo amin'Andriamanitra ho anà. 31Mivavà mba ho avotra ho aminjareo ze tsy magneky aigny Jodia zà, ary mba ho ekenjareo mpino ny fanompoko ho an' Jerosalema. 32Mivavà mba hiaveko amin-kafalena amin'ny fitsarana, miaraka aminareo.Andriamanitryny fiadanana ane homba anareo daôly. Amena!

Chapter 16

1Ankiniko aminareo i Foiby agnabavintsika, le mpanompon'ny fiangonana aigny Kenkrea 2mbo handraisanareo an'azy akao amin'ny Tompo. Ataovy zany amin;ny fomba mendrika an'reo mpino, ary magnatre anazy am'ze ôla mety hilany ny fanampenareo. Fa izy tegnany iany kô de lasana mpagnampy ny maro, ary ny tegnako iany kô3Magnanova veloma amin'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa aminà ao amin'i Kristy Jesôsy, 4ze nahafoy ny aignan'zareo ho an'ny aignako. Misaotra an'jareo zà, ary tsy fogna, fa reo fiangonana daôly an'ny Jentilisa iany kô. 5Magnanova veloma ny fiangonana any amin'i Epaineto malalako, ze vôlom-bokatr'i Asia ho an'i Kristy.6Magnanova veloma an'i Maria, ze niasa mafy ho an'nareo. 7Magnanova veloma an'i Androniko sy Jonia, havako akaiky , ary niara-nigadra taminà. Milaza eo anivon'ny apostoly zareo, ze tao amin'i Kristy talôko iany kô. 8Magnanova veloma an'i Ampilato,malalako ao amin'ny Tompo.9Magnanova veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsika akao amin'i Kristy, sy Staky,malalako. 10Arabao Apela, le ankasitrahana ao amin'i Kristy. Arabao reo ze akao amin'i tokantranon'i Aristobolo. Magnanova veloma an'i Herodiona, havako. 11Magnanova veloma an'ireo ze akao amin'ny tokantranon'i Narkisa, ze akao amin'ny TOmpo.12Magnanova veloma an'i Tryfena sy Tryfosa, ze miasa mafy ao amin'ny Tompo. 13Magnanova veloma an'i Rofosy, ze vôfidy takao amin'ny Tompo, ary ny reniny sy ny reniko. 14Magnanova veloma an'i Asynkito, Flegona,Hermesy,Patroba,Herma,ry reo rahalà ze miaraka amizareo.15Magnanova veloma an'i Filologia, sy Jolia, Narea sy ny anabaviny, sy Olimpa, ary reo mpino rehetra miaraka amin-jareo. 16Mifagnanova veloma amin'ny fifagnorohana masina. Ireo fiangonan'i Kristy rehetra de magnano veloma an'nareo.17Amin'zao fotôna zao de mamporisika an'nareo zà, ry rahalà, mba hihevitra ny momba reo ze mahatonga ny fizarazarana sy ny fanafintohinana. Izy reo de mihôtra lavitry ny fampiagnarana ze noraisinareo. Mialà lavitra an-jareo. 18Fa tsy mpanompon'i Kristy ny ôla salan'ireny, fa ny kibony manokana iany. Amin'ny teny malefaka sy mandoka no amitahan'zareo ny fon'ny tsy manan-tsiny.19Fa ny ôtran'nareo aminn'ny fankatoavana de tafita aigny amin;ny tsiraikaraika.Noho zany,mifaly za, ny aminareo fa tekon mba ho hendry amin'zao tsara nareo, ary tsy hanan-tsiny amin'ze ratsy. 20Andriamanitry ny hanorotoro an'i Satana eo ambanin'ny tongotrareo afaka fotôna fohy. Ho aminareo ane ny fahasoavan'i Tompontsika Jesôsy Kristy.21Timoty,mpiara-miasa aminà, de magnano veloma an'nareo, sy Losio,Jasona arey Sosipatro, havako. 22Zà, Tertio, ze nagnoratra ty epistily ty,de magnano veloma an'nareo akao amin'ny Tompo.23Gaio,le mpampiantrano ana sy ny fiangonana manontolo,de magnano veloma an'nareo. Erasto mpitam-bola akao amin'ny tanà,de magnano veloma an'nareo,miaraka amin'i Koarto le rahalà. 24[Fagnamarehana: Ny fandikana talô tsara ndrindra de manala ty andininy ty.( Jero ny Romana 16:20).and 24: ''' Ho aminareo daôly ane ny fahasoavan'ny Tompontsika Jesôsy Kristy.Amena.'']25Ary ny voninahitra de ho Anazy mahavita mampijoro an'nareo araka ny filazantsarako sy ny fitorina an'i Jesôsy Kristy, araka ny fagnambarana ny misitery x=ze notazonina ho tsiambaratelo ela be taigny alô taigny, 26kanefa nambara amin'zao fotôna zao, ary tamin'ny alalan'ny bokin'ny faminaniana no nampahafanatarina tamin'ny firenena daôly, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ho fankatoavana su finôna.27Ho an'le Andrimanitra tokan'ny fahendrena, anie ny voninahitra mandrakizay,amin'ny alaln'i Jesôsy Kristy .Amena.

1 Corinthians

Chapter 1

1Paoly, nantsovin'i Jesosy Kristy mba ho Apostoly nony sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalàntsika, 2ho an'ny fengonan'Andriamanitra akao Korinto, ho an'reo ze nohamasinina takao amin'i Kristy Jesosy, ze vôantso ho ôla masina. Manoratra ho an'reo daôly ze magnatso ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny tôrana daôly iany kô zahay, de Tompon-jareo sy antsika. 3Ho aminareo anie ny fasoavana sy ny fiadagnana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.4Za de magnome fisôrana ho an'Andriamanitro ho anareo fôgna nony fasoavan'Andriamanitra ze namen'i Jesosy Kristy anareo. 5Natôgny nanankarena tamin'ny fomba daôly nareo, tamin'ny fiteny daôly sy ny falalana daôly, 6raha vôporofo fa marina ny fagnambarana momban'i Kristy.7No zany anareo de tsy ory fagnomezam-pasoavana akeo am-pendrasanareo fatratra ny fagnambarana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. 8Izy iany kô de hampahery anareo hatramin'ny farany, mba tsy hanan-tsigny anareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9Matoky Andriamanitra, ze nagnantso anareo ho amin'ny firaisana amin'ny Zanagny là, Jesosy Kristy Tompontsika.10Ami'zao de mampirisika anareo za, ry rahalà, amin'ny agnaran' i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifagnaraka nareo daôly, ary tsisy fisarana akeo aminareo. Mampirisika za mba hikambagna amin'ny saigna mitovy sy tanjona mitovy nareo. 11Fa efa natao mazava taminà, ry rahalà, tamin'ny alalan'ny vahôkan'i Kloe fa misy fifampandanina akeo aminareo.12Ny teko taravina de zao: Ny tsiraikaraika aminareo samby magnano hoe: "Za miaraka amin'i Paoly," na "Za miaraka amin'i Kefasy," na "Za miaraka amin'i Kristy." 13Vôzarazara ma Kristy? Paoly ma no nombona ho anareo? Tamin'ny agnaran'i Paoly ma no nagnôvana batisa anareo?14Misôtra an'Andriamanitra za fa tsisy nataoko batisa nareo, afa-tsy Krispo sy Gaio. 15Zany de mba tsy hafan'iza mitare hoe tamin'ny agnarako no nagnôvana batisa anareo. 16(Za iany kô de nagnano batisa ny ankohonan'i Stefanasy. Ny ankôtra ze tsy fantatro raha nagnano batisa ôla hafa za.)17Fa Kisty de tsy nagniraka anà mba hampagnano batisa fa hitory ny filazantsara. Izy tsy nandefa anà hitory amin'ny tenin'ny faendren'ny olombelona, mba tsy ho fôgna ny herin'ny hazofijalian'i Kristy.18Fa ny hafatra momba ny hazo fijaliana de fahadalana amin-reo de ho faty. Fa akeo amin'reo ze ho vonjen'Andriamanitra kosa, de herin'Andriamanitra zany. 19Fa vôsoratra hoe: "Ho poteko ny fahendren'ny hendry. Ho foanako ny fahalalan'ny mahay."20Aiza ny olon-kendry? Aiza ny magnam-pahaizana? Aiza ny mpiady hevitra an-zao tontolo zao? Moa tsy navadik'Andriamanitra ho fahadalana ma ny fahendren-zao tontolo zao? 21Satria tsy nahalala an'Andriamanitra izao tontolo zao takao amin'ny fahendreny, de sitrak'Andriamanitra ny hamonjy reo ze mino amin'ny alalan'ny fahadalan'ny fitoriana.22Fa reo Jiosy de mangataka famantarana magaga ary reo Grika mitsakaraka fahendrena. 23Fa zahay mitory an'i Kristy vôhombo, ze vato fanafintonana ho an'reo Jiosy ary fahadalana ho an'reo Grika.24Fa ho an'reo ze nagntsovin'Andriamanitra, reo Jiosy sy reo Grika de mitory an'i Kristy ôtran'ny hery sy fahendren'Andriamanitra zahay. 25Fa ny fahadalan'Andriamanitra de hendry no ny ôla, ary ny falemen'Andriamanitra de matanjaka no ny ôla.26Hevero ny fagnantsovana anareo, ry rahalà. Tsy betsaka taminareo no hendry raha ny amin'ny maha olombelona. Tsy betsaka taminareo no nahery. Tsy betsaka taminareo no ambony firazanana. 27Fa Andriamanitra de nisafidy reo ra adalan-zao tontolo zao mba hampamenatra ny hendry. Andriamanitra de nisafidy ze malemy akeo amin-zao tontolo zao mba hampamenatra ze matanjaka.28Andriamanitra de nisafidy ze ambany sy haratsegna aketo amin'zao tontolo zao. Na Izy aza de nifidy reo ra ze noheverina ho tsinotsinona, mba hatonga tsinontsinona reo re ze atao ho magnan-danja. 29Natôgny zany mba tsy hisy hagnana antony hireharehana akeo agnatrehany.30Nony natôn'Andriamanitra, amin-zao fotôgna zao nareo de akao amin'i Kristy Jesosy, ze lasa fahendrena ho antsika avy amin'Andriamanitra. Izy de lasa fahamarinantsika, fahamasinantsika ary fahafahantsika. 31Vokatr-zany, araka ze vôlazan'ny Soratra Masina magnano hoe: "Ôka ze mirehareha, hirehareha akao amin'ny Tompo."
Chapter 2

1Rafa nankeo aminareo za, ry rahalà, de tsy tonga niaraka tamina lahateny na fahendrena za raha nagnambara ny mistery momba an'Andrialanitra. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny maro faha de mivaky salan'izao hoe: "Raha nagnambara ny fijoroana vavolombelona momban'Andriamanitra za."]2 Fa nanapa-kevitra tsy halala n'ino n'ino za rafa takeo aminareo, afa-tsy Jesosy Kristy, sy Izy vôhombo.3Ary niaraka taminareo za takeo amin'ny falemena, sy takeo amin'ny tatra, ary takeo amin'ny fangovitana be.4 Ary ny hafatro sy ny fagnambarako de tsy tamin'ny teny fandresen-dahatry ny fahendrena. Fa kosa, reo de tamin'ny fanehian'ny Fanahy sy hery, 5mbô tsy ho akao amin'ny fahendren'ôlombelona ny finônareo, fa akao amin'ny herin'Andriamanitra.6Am'zao fotôna zao tsika de tegna mitare fahendrena akeo am'reo matanjaka, fa tsy ny fahendren'zao tontolo zao, na ny an'reo mpanapaka zao vanin'andro zao, ze mandalo fôgna. 7Fa kosa, milaza ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fahamarinana misitrika tsikana, le fahendrena misitrika ze notendren'Andriamanitra melô talôn'reo vanin'andro daôly ho voninahitsika.8Tsisy tam'reo mpanapak'zao andro zao no nafantatra io fahendrena io, fa raha natakatra an'zany zareo tam'zany fotôna zany, de tsy nohombon-jareo le tompon'ny voninahitra. 9Fa araka ze voasoratra hoe: "Reo ra ze tsisy maso natazagna, tsisy sofigna naregny, tsisy eritreritra nahazo sary an-tsaigna, reo ra ze nomanin'Andriamanitra ho an'reo te an'Azy."10Reo no ra natoron'Andriamanitra taminay tamin'ny alalan'ny Fanahy. Fa ny Fanahy de mikaraka ny ra daôly, na de reo ra laligna an'Andriamanitra aza. 11Fa iza ma no mafantatra ny fisaignan'ny ôla raika afatsy ny fanahy akao am'le ôla? Arak'zany kô, tsisy mafantatra reo raha laligna an'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra.12Fa tsy niaka ny fanahin'zao tontolo zao tsika, fa fanahy ze avy aigny amin'Andriamanitra, mbô hafatsika mafantatra reo ra omena antsika maimaimpôgna avy amin'Andriamanitra.13 Miteny momba reo ra reo amin'ny teny ze tsy hain'ny fahendren'olombelona ampenarina zahay, fa ze ampenarin'ny Fanahy an'nay. Ny Fanahy no mandika ny teny ara-panahy miaraka amin'ny fahendrena ara-panahy.14Ny ôla ze tsy ara-panahy de tsy mandray reo ra ze an'ny Fanahin'Andriamanitra, satria fadalana amin'azy regny. Tsy afaka mafantatra an'regny izy satria famantarana ara-panahy regny. 15Ze ara-panahy de mitsara ny ra daôly, fa tsy hiasan'ny fitsaran'ny hafa izy.16 "Fa iza no afaka mafantatra ny fisaignan'ny Tompo, no ho afaka hampianatra an'Azy?" Fa zahay de managna ny fisainan'i Kristy.
Chapter 3

1Ary za, ry rahala, de tsy afaka nitare taminareo ôtran'ny ôla ze ara-pagnahy, fa kosa ôtran'ôla ara-nofo, ôtran'ny zazakely akao amin'i Kristy. 2Nofahanako ronono ,anareo; fa tsy venti-kanina; satria tsy vônona tam-zany nareo; ary na am-zao fotôgna zao aza de mbôla tsy vônona am-zany nareo.3Satria nareo mbola araka ny nofo. Fa na aiza misy fahasarotam-piaro sy fifandirana akeo aminareo, de tsy miaigna araky ny nofo ma nareo, ary tsy mande araka ny maha-olombela? 4Fa rafa misy raika mitare hoe: " Za magnaraka an'i Paoly," ary ny raika mitare hoe: "Za magnaraka an'i Apolosy," de tsy miaina ôtran'ny olombela iany ma nareo? Iza ma Apolosy? 5Ary iza Paoly? Mpanompo ze tamin''ny alalany no ninonareo, ze namen'ny Tompo asa avy.6Za no namboly, Apolosy no nanondraka fa Andrimanitra no nampitombo. 7Ka no zany, na za ze namboly na izy ze nanondraka de tsisy dikany. Fa Andriamanitra no mampitombo.8Ary za ze mamboly sy izy ze manondraka de raika, ary ny tsiraikaraika de samy hahazo ny karamany avy araka ny asany.9 Fa zahay de mpiara-miasa amin''Andriamanitra. Anareo de sahan'Andriamanitra, sy tragnon'Andriamanitra.10Araka ny fasoavan' Andrimanitra ze namena ana ôtran'ny mpagnano trano mahay, de nametraka ny fototra za ary ny sasagny no manorina akeo amboniny. Fa ôka ny lehila tsiraikaraika hitandrina ny amin'ny fomba hagnorenany akeo am-zany. 11Fa tsy misy ôla mametraka fototra afa-tsy le raika ze napetraka, zany hoe, Jesosy Kristy.12Am-zao fotôgna zao raha misy ôla magnorina akeo ambonin'ny fototra amin'ny volamena, volafotsy, vato sarobidy, hazo, bozaka, na mololo, 13de habôgna ny asany, fa ny andro mazava no hampibôgna izany. Satria habôgna amin'ny afo izany. Ny afo no hitsapana ny hatsaran'ny natôn'ny tsiraikaraika.14Ra mipetraka ny asan-le ôla, de hahazo valisoa izy; 15fa raha may ny asan-le ôla, de ho fatiantoka izy, fa izy tegnany de ho vonjena, salan'ny nivôka tamin'ny afo iany.16Tsy fantatrareo ma fa anareo de tempolin'Andriamanitra ary ny Fagnan'Andriamanitra no mipetraka akao aminareo? 17Raha misy ôla mandratra ny tempolin'Andriamanitra , de handratra zany ôla zany kô Andriamanitra. Fa masina ny tempolin'Andriamanitra, ary salan-zany kô nareo.18Aza avela hisy ôla hamita-tegna. Raha misy ôla akeo aminareo mihevitra fa hendry izy am-zao vanim-potôgna zao, avelao izy ho lasa "adala" am-zay mba ho lasa hendry izy. 19Fa ny fahendren-zao tontolo zao de fadalana akeo amin'Andriamanitra. Satria vôsoratra hoe: "Nahatratra ny hendry takao amin'ny hafetsen-jareo Izy. 20"Ary kô hoe: "Ny Tompo de mahalala fa ny fihevitry ny hendry de zava-pôgna."21No zany tsisy firearehana momban'ny ôla ntsony! Fa ny ra daôly de an'nareo, 22na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na zao tontolo zao, na fiaignana, na fafatesana, na ra amin-zao fotôgna zao, na ra ho avy. Ny ra daôly de an'nareo, 23ary anareo de an'i Kristy, ary Kristy de an'Andriamanitra.
Chapter 4

1Salan-zao no tokony handraisan'ny ôla antsika, ôtran'ny mpanompon'i Kristy ary mpitandrina reo misterin'Andriamanitra. 2Am-zany fifandraisana zany, de fepetra takiana am-reo mpitandrina ny maha-mendri-pitokiana an'azy reo.3Fa aminà de ra kely de kely ny tokony hitsaranareo na hitsaran'ôlombelona daôly anà. Fa na za aza tsy mitsara ny tegnako. 4Za de tsy mafantatra ze fiampangana natao taminà, fa zany de tsy midika fa tsy magnan-tsiny za. Ny Tompo no mitsara anà.5No zany, aza magnonona fitsarana momban'ny ra daôly melohan'ny fotôgna, melohan'ny hevian'ny Tompo. Izy de hitondra reo ra-miafin'ny haizina ho amin'ny fahazavana ary hampiseho ny fikasan'ny fo. Avy akeo ny tsirairay avy de handray ny fiderany avy amin'Andriamanitra.6Am-zao fotôgna zao, ry rahalà, nampiatra reo fitsipika reo taminà sy tamin'i Apolosy za non'ny aminareo, mba hafanareo mianatra avy aminay ny dikan'ny fitenenana hoe: "Aza mande mihôtra ze vôsoratra." Zany de mba tsy hisy raika aminareo hieboebo ny amin'ny fankasitrana ny raika nony hafa. 7Fa iza no maita fasamihafana akeo aminareo sy reo hafa? Ino no agnananareo ka tsy noraisinareo maimaimpôgna? Raha nandray zany maimaimpôgna nareo, naôgna nareo no mieboebo ôtran'ny tsy nagnano salan-zany?8Efa agnananareo daôly ze ra tadiavinareo! Efa lasa mpanankarena nareo! Ary efa nanomboka nanjaka nareo ary zany de tsy avy taminay! Za de magniry tokoa ny nanjakanareo, mba hafahanay manjaka miaraka aminareo. 9Fa za de mieritreritra fa Andriamanitra de nametraka antsika ho apostoly mibaribary ôtran'ny farany amin'ny laharana sy ôtran'ny ôla vôheloka ho faty. Zahay de lasa fampisehogna ho an'zao tontolo zao ho an'reo anjely, ary ny ho an'ny olombelona.10Zahay de adala non'ny amin'i Kristy, fa anareo de hendry akao amin'i Kristy. Malemy zahay, fa anareo matanjaka. Anareo de nomem-boniniatra, fa zahay kosa tsy nalaim-baraka. 11Mandrak-zao zahay de nôgna sy mangetaeta, mahantra fitafy, vôkapoka mafy, ary tsy magnan-kelofagna.12Miasa mafy zahay, miasa amin'ny alalan'ny tagnanay iany. Rafa latsaigna zahay, de miaritra. 13Rafa henjeigna zahay, de mitso-drano. Rafa vôendrikendrika zahay, de mitare amin'ny atsaram-pagna. Zahay de niôva, ary mbola raisina ho fakon-zao tontolo zao sy faikan'ny ra daôly.14Zà de ty nanoratra reo ra reo mba hahamenatra anareo, fa manitsy anareo salan'ny zanaka malalako. 15Fa na de magnana mpiambina ray alina akao amin'i Kristy aza nareo, de tsy magnana ray betsaka be. Fa za de lasa rainareo akao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny filazantsara. 16No zany de mamporisika anareo za mba ho mpaka-taka anà.17Zany no nandefasako anareo an'i Timoty, zanaka malalako sady matoky akao amin'ny Tompo. Izy de hampatsiahy anareo reo lalako akao amin'i Kristy, ôtran'ny ampenarako an'azy reo na aiza na aiza sy akao amin'ny fengonana daôly. 18Amin'zao de lasa miavona ny sasagny aminareo, magnano salan'ny hoe tsy ho avy aigny aminareo za.19Fa ho avy tsy ho ela aigny aminareo za, raha sitraky ny Tompo. Ary tsy hahafantatra ny resak'reo ze tegna miavona fotsiny za, fa haita ny herin'izy reo. 20Satria ny fanjakan'Andriamanitra de tsy mifototra amin'ny resaka fa amin'ny hery. 21Ino no karanareo? Tokony ho avy aigny aminareo miaraka amin'ny tsorakazo ma za sa miaraka amin'ny fitiavana feno halemem-pagna?
Chapter 5

1Zahay de naregny tatitra fa misy fijangajangna aketo aminareo, karazagna fitondran-tegna tsy mendrika ze tsy azo atao mitsy akeo am'reo Jentlisa. Ny tatitra de hoe misy raika aminareo miray fandrena tamin'ny vadin-drainy. 2Anareo de tegna miavignavogna! Fa tsy tokony alaelo ma anareo? Ny raika ze magnano an'zany de tsy maintsy alàna aketo aminareo.3Fa na de tsy akeo ara-batana aza za nefa de akeo ara-panahy, de efa nitsara sahady le raika ze nagnano an'zany, salan'ny hoe takeo za. 4Rafa miara-mivory amin'ny agnaran'i Jesosy Tompotsika anareo, ary ny fanahiko de akao amin'ny herin'i Jesosy Tompotsika, de efa nitsara io ôla io sahady za. 5Nataoko zany mbô hagnomezako zany leila zany ho an'i Satana, ho fanilbana ny nofo, mbô ho vôvonjy ny fanahiny amin'ny andron'ny Tompo.6Tsy tsara ny fireareanareo! Tsy fantatrareo ma fa ny masirasira kely de magnova ny mofo manontolo? 7Diovy ny tegnanareo amin'ny masirasira talô mbô ho tonga mofo vaovao anareo, ka mbô ho tonga mofo tsisy masirasira anareo. Fa kristy, le Zanak'ondrintsika tamin'ny Paka, de natao sorona. 8Noho zany de ôka tsikana hankalaza ny firavoravôna, tsy amin'ny masirasira talô, le masirasiran'ny fitondran-tegna ratsy sy faratsena. Fa kosa, ôka tsikana hankalaza amin'ny mofo tsisy masirasiran'ny fadiovam-po sy fahamarinana.9Za de nanoratra ho an'nareo takao amin'ny taratasiko mbô tsy hiaranareo miasa am'reo ôla mpijangajanga. 10Kanefa ny teko ambara de tsy ny ôla mpijangajanga daôly aketo am'zao tontolo zao, na reo tsy mahonon-tegna, na reo mpisoloky, na reo mpanompo sampy, satria mbô hialana amin-jareo de mila miala am'zao tontolo zao anareo.11Nefa am'zao fotôna zao za manoratra ho an'nareo mbô tsy hiara-hiasa miaraka amin'iza n'iza ze antsovina hoe rahala nefa miaigna akao agnatin'ny fijangajangana, na ze tsy mahonon-tegna, na mpanompo sampy, na mpiteny ratsy, na mpimamo, na mpisoloky. Aza minan-kanina miaraka amin'ôla ôtran'zany mitsy. 12Fa ino no idirako amin'ny fitsarana reo ze aigny ivelan'ny fiangonana? Mifanohitra am'zany, anareo ma tsy tokony hitsara reo ze akao agnatin'ny fiangonna? 13Fa Andrimanitra de mitsara reo ze aigny ivelany. "Esory akeo aminareo ny olon-dratsy."
Chapter 6

1Rafa misy raika aminareo miady amin'ny raika hafa, sahy hagnantongna fitsarana akeo agnatrehan'ny mpitsara tsy mpino ma izy, fa tsy akeo agnatrehan'reo mpino? 2Mô tsy fantatrareo ma fa reo mpino no hitsara an'zao tontolo zao? Ra zany, anareo no hitsara an'zao tontolo zao, mô tsy mahavita mandamina raharaha madinika ma anareo?3 Mô tsy fantatrareo ma fa hitsara anjely tsika? Impiry, ary, tsika no afaka mitsara reo raharaha amin'ty fiaignana ty?4Ra tô ka mitsara ny ra ze mitranga amin'ny andavan'andronao anao, nagnino anao no mametraka karazana tranga ôtran'zany akeo agnatrehan'reo ze tsinotsino akao amin'ny fiangonana?5 Hampamegnatra an'nareo no hitaravako an'zany. Mô tsy mbô misy ampy fahendrena na de raika avy aza aketo aminareo handamina ny disadisa akao amin'ny mpirahalà? 6Fa kosa, misy mpino raika ifagnatrika amin'ny mpino hafa akeo amin'ny fitsarana, ary zany raharaha zany de hapetraka akeo agnatrehan'ny mpitsara ze tsy mpino!7Ny fisin'ny ady akeo aminareo kristiana daôly de efa faresena ho an'nareo sahady. Fa tsy aleo mijaly amin'ny fahadisoana? Fa tsy aleo avela ho vôfitaka ny tegnanareo? 8Fa anareo de nandiso sy namitaka 'reo hafa nefa de rahalanareo iany ry zareo!9Mo tsy fantatrareo ma fa ny tsy marina de tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mino ny lainga. Reo vetaveta, reo mpanompo sampy, reo mpijangajanga, reo lehilà mpivaro-tegna, reo lehilà miara-matory magnano ny fagnaon'ny mpivady, 10reo mpangalatra, reo tsy malala onina, reo mpimamo, reo mpagnaratsy, reo mpagnano an-keriny, tsisy raika amin-jareo reo no handova ny fanjakan'Andriamanitra. 11Fa salan-zany ny sasagny aminareo. Fa efa vôdiko nareo, vômasina nareo, ary vômarigna takeo amin'Andriamanitra nareo tamin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fagnan'Andriamanitsika.12"Ny ra daôly de ara-dalàna aminà," fa tsy ny ra daôly no mahasoa." Ny ra daôly de ara-dalàna aminà," fa tsy ho andevozin'ny raika amin-reo za. 13"Ny ahanina de ho an'ny kibo, ary kibo natao ho an'ny ahanina," fa Andriamanitra de hagnafôgna an'azy roey reo. Ny vatana tsy natao ho an'ny fijangajangana. Fa kosa, ny vatana natao ho an'ny Tompo, ary ny Tompo de hagnome ho an'ny vatana.14Andriamanitra de efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika kô amin'ny heriny. 15Moa tsy hainareo ma fa ny tegnanareo de rantsambatan'i Kristy? Ka ndesiko ma zany reo ratsam-batan'i Kristy ary ampiraika an-jareo amin'ny mpivaro-tegna? Tsy hisy ane zany!16Moa tsy fantatrareo ma fa ze miray amin'ny mpivaro-tegna de lasana nofo raika amin'azy? Ôtran'ny vôlazan'ny Soratra Masina hoe: "Ho nofo raika iany izy roey." 17Fa ze miaraka amin'ny Tompo de lasa fagna raika amin'Azy.18Helao ny fijangajangana! Ny fahotana daôly hafa ze atôn'ny ôla de ivelan'ny tegna, fa ny ôla mpijangajanga de manota ho an'ny tegnany iany.19Moa tsy fantatrareo ma fa ny vatagnareo de tempolin'ny Fagna Masina, ze mipetraka akao agnatinareo, ze azonareo avy amin'Andriamanitra? Moa tsy hainareo ma fa tsy an'nareo ny tegnanareo? 20Fa olom-bôvidy nareo. No zany de mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tegnanareo. [Fanamarihana: Ny antontan-taratasy talô de mivaky salan-zao hoe: "No zany mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tegnanareo sy amin'ny fagnanareo, de an'Andriamanitra." Fa ny antontan-taratasy tsara indrindra tsy managna zany fampenarana zany.]
Chapter 7

1Ary makasika reo olagna ze nosoratanareo momban'ny hoe: "Tsara ho an'ny leila ny tsy mikasika vevavy." 2Nefa noho reo fakam-pagna amin'ny favetavetana maro isan-karazany, de tokony hanagna ny vadiny manokana avy ny leila tsirairay, ary ny vevavy tsirairay de tokony hanagna ny vadiny manokana avy.3Ny lehilà de tokony hagnome reo zo ara-panambadena ho an'ny vadiny, ary ôtran-zany kô ny vevavy ho an'ny vadiny. 4Tsy ny vevavy no managna fahefana amin'ny vatany manokana, fa ny vadiny. Ôtran-zany kô, tsy ny lehilà no managna fahefana amin'ny vatany manôkana, fa ny vadiny no managna.5Aza mifanakatsakana nareo tsirairay, afa-tsy amin'ny fifanarana nifanôvana ary amin'ny fotôgna vôtokana. Atôvy zany mba hafanareo manokan-tena amin'ny vavaka. Avy akeo de tokony hiara-hatory ndray nareo, mba tsy hafan'ny Satana maka fagna anareo non'ny tsy fagnananareo fifezan-tegna. 6Kanefa za de milaza reo ra reo aminareo am-pahalalana fa tsy didy akory. 7Iriko ny ôla daôly ho ôtra anà. Fa ny tsirairay de samy managna ny fagnomezam-pahasoavana manokana avy amin'Andriamanitra. Ny raika managna ity karazam-panomezam-pasoavana ity, ary ny raika hafa managna karazagny hafa kô.8Ho an-reo ze tsy manambady sy reo mpitondrategna de mitare ze tsara ho an'azy reo raha mijanona tsy manambady izy reo, sala anà. 9Kanefa zareo raha tsy afaka mametegna, de tokony hanambady. satria tsara kokô ho an'azy reo ny manambady ôtran-ze ampirehetin'ny filàna ara-nofo.10Ary ho an-reo ze tsy manambady de magnome zao didy zao za, tsy za fa ny Tompo, ny vevavy de tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny, 11(fa raha hoe: misaraka amin'ny vadiny izy, de tokony hijanona tsy hanambady na kô miverigna mifanaraka amin'ny vadiny) ary ny lehilà de tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny.12Fa ho an'ny sisa de milaza za, fa tsy ny Tompo hoe raha misy rahalà raika managna vady tsy mpino, ary raha mafaly azy ny miara-miaigna aminy, de tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny izy. 13Raha ny vevavy raika no managna vady tsy mpino, ary raha mahafaly an'azy ny miara-miaigna aminy, de tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny izy. 14Satria ny lehilà tsy mpino de natokana no ny amin'ny vadiny, ary ny vevavy tsy mpino natokona no ny amin'ny rahalàny. Fa raha tsy zany de ho maloto ny zanakareo, nefa raha ny marina d'efa vôtokana izy reo.15Fa raha ny vady tsy kristianina no mandao, avelao izy ande. Amin'ny toe-javara ôtrany zany, ny rahalàny na ny rahavavy de tsy vôfatotr'ireo voadin-jareo. Andriamanitra de nagnantso antsika mba hiaigna am-pedanana.16Fa amin'ny fomba manakôry no alalanao, ry vevavy, raha ho vôvonjinao ny vadinao? Na amin'ny fomba manakôry no alalanao, ry lehilà, raha ho vôvonjinao ny vadinao?17Fa avilao fotsiny ny tsiraikaraika avy hiaigna ny fiaignana ze efa nanendren'ny Tompo an'azy, ary araka ny efa nagnantsovan'Andriamanitra an'azy. Io no fitsipiko akao amin'ny fengonana daôly. 18Efa vôfora ve ny ôla raika rafa hiezaka ny hisehoseho salan'ny tsy vôfora. Tsy vôfora ve ny ôla raika rafa nantsovina ho amin'ny fonona? Tsy tokony ho foraina izy. 19Satria tsy ny famorana na ny tsy famorana no ra-leibe. Ny ra-leibe de ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra.20Ny tsiraikaraika avy de tokony hijanono amin'ny fentsona ze nisy an'azy daôly nantsovin'Andriamanitra mba hino izy. 21Andevo ma enao fony Andriamanitra niantso anao? Aza miahiahy ny am-zany. Fa raha mety ho afaka enao, de ararôty zany. 22Satria ny ôla raika ze nantsovin'ny Tompo ho andevo de ôla afaka ny Tompo. Ôtran-zany kô ny ôla ze afaka fony izy nantsovina mba hino de andevon'i Kristy. 23Anareo de vôvidy, no zany de aza tonga ôtran-reo andevon'ny ôla. 24Ry rahalà, na ino na ino fiaignana nisy antsika tsiraikaraika fony isika nantsovina mba hino, de ôka tsika hijanona ho ôtran-zany.25Ary makasika reo ze tsy nanambady mitsy, za de tsy managna didy avy am'Tompo. Nefa za de magnome ny hevitro salan'ny tokana, amin'ny alalan'ny famindram-pon'ny Tompo, de mendri-pitokisana. 26No zany, meritreritra za fa non'ny loza ze ho avy, de tsara ho an'ny leila ny mijanona amin'ny maha izy an'azy.27Vôfatotra amin'ny vevavy ma nareo? Aza mitady ny ho afaka aminy. Afaka amin'ny vadinao ma enao? Aza mitady vady. Nefa raha manambady nareo, de tsy nagnota. 28Raha ny vevavy tsy manambady no manambady, de tsy nagnota izy. Nefa reo ze manambady de hanagna karazan'ôla betsaka raha mbola velona, ary za de te hagnala anareo amin-zany.29Fa zao no lazaiko, ry rahalà: Foy ny fotôgna. Manomboka zao, aleo reo ze efa magnam-bady hiaigna ho ôtran'ny tsy managna. 30Reo ze mitomany de tokony hagnano ho ôtrany tsy mitomany, reo ze mifaly ho ôtrany tsy mifaly, ary reo ze mividy ho ôtrany tsy magnana na ino na ino; 31ary reo ze mampiasa zao tontolo zao de tsy tokony hagnano ôtrany mampiasa zany tanteraka. Satria zao tontolo zao amin'ny endrigny am-zao fotôgna zao de ho tonga amin'ny fefarana.32Teko nareo ho afaka amin-reo ahiahy. Ny lehilà tsy manambady de miahiahy ny amin'ny reo ra ny Tompo, ny amin'ny fomba hampifaliana an'Azy. 33Fa ny lehilà manambady de miahiahy ny amin'ny ran-zao tontolo zao, ny amin'ny fomba hampiafaliana ny vadiny, 34mizarazara izy. Ny vevavy tsy manambady na virijiny de miahiahy ny amin'ny ran'ny Tompo, ny amin'ny fomba hanokanana amin'ny tegna sy ny fagna. Fa ny vevavy manambady de miahiahy ny amin'ny ran-zao tontolo zao, ny amin'ny fomba hampifaliana ny vadiny.35Lazaiko zany ho an'ny tombotsonareo manokana, fa tsy hametraka ze sakantsakana akeo aminareo. Milaza zany za no ze marina, am-ze anareo mba hanolo-tegna ho an'ny Tompo tsy misy fanelingelenagna36Nefa raha misy ôla raika mievitra fa tsy mitondra ny fofom-badiny am-pagnajana raha miôtra ny taonan'ny fagnambadegna le vevavy ary tsy maintsy ôtran-zany de toko ny hanao ze teigny izy. Tsy manota izy. Tokony hividy jareo. 37Nefa raha nikasa tsara tao am-pony izy, raha toa ka tsy ambany faneriteregna fa afaka mifehy ny sitrapony magnôkana, ary raha nanapa-kevitra tao am-pony izy ny hagnano zany, mba hitazomana ny fofombadiny ho virijiny, de tsara ny ataony. 38Koa ze manambady ny fofombadiny de magnano ny tsara, ary ze misafidy ny tsy hanambady de hagnano ny tsaratsara kokô aza.39Ny vevavy de vôfatotra ny vadiny raha mbôla velona ralehilà. Fa raha maty ny vadiny, de malalaka tsara izy ny hanambady ze teigny ho vadiana, nefa akao amin'ny Tompo iany.40 Nefa amin'ny fitsarako de tokony ho faly kokô izy raha miaina am-zao iany. Ary heveriko fa za iany kô de magnana ny Fanahin'Andriamanitra.
Chapter 8

1Ary makasika ny ahanina atao sorogna ho an'ny sampy fantatsika fa: "Tsika daôly de manam-palalana." Ny Falalana mampiendaenda, fa ny fitiavana manangana.2Raha misy ôla raika mihevitra ny tegnany fa mafanta-dra, de mbola tsy mafantatra araka ze tokony hafantarany akory zany ôla zany. 3Fa raha misy ôla raika te an'Andriamanitra, de fantany zany ôla zany.4Fa raha ny makasika ny finanana anina natao sorogna ho an'ny sampy de fantatsika fa "ny sampy aketo am-zao tontolo zao de tsinontsinona" ary "fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy raika iany." 5Fa mety misy reo mody antsovina hoe andriamanitra, na akaigny an-dagnitra na aketo an-tany, salan'ny habetsan-reo "andriamanitra" sy ny habetsan-reo "tompo." 6Fa ho antsika, "Raika iany no Andriamanitra de le Ray, ze avy aminy ra daôly, ary Izy no antony hivelomantsika, ary raika no Tompo Jesosy Kristy, ze tamin'ny alalany no nisian'ny ra daôly, ary tamin'ny alalany no nisiantsika."7Na zany aza, ny falalana zany de mbola tsy akao amin'ny tsiraikaraika. Fa kosa, ny sasagny takeo alô de nampiatra ny fanompôn-tsampy, de nignana izany anina zany ôtran'ny ra natao sorogna ho an'ny sampy zany. No zany de simba ny fieritreretan-jareo satria malemy izany.8Fa tsy ny ahanina no hanolotra antsika akeo amin'Andriamanitra. Fa tsy ratsy ndrindra tsika raha tsy mignana, na kô hoe tsara raha mignana an-zany. 9Tandremo mba tsy ny halalanareo no antony hatônga reo ôla osa ara-pinogna ho tafitohina. 10Fa atôvy salan'ny hoe misy maita anao, ze manam-palalana, mignana ny anina akao amin'ny fengonan'ny sampy. Tsy ny falemen'ny feritreretany ma no nasahiny hignana ze natolotra ho an'ny sampy?11Nony falalanao ny toetra marina momba ny sampy, de very le rahalà malemy finogna, ze nafatesan'i Kristy. 12No zany, rafa manota amin'ny rahalànareo nareo ka mandratra ny saina malemin'izy reo, de manota manoitra an'i Kristy anareo. 13No zany, raha ny anina no matonga ny rahalàko ho tafitohina, de tsy hinan-kena intsony za, mba tsy avy aminà no halavo ny rahalàko.
Chapter 9

1Tsy ôla afaka ma za? Tsy apostoly ma za? Tsy natazagna an'i Jesosy Tompontsika ma za? Tsy asako akao amin'ny Tompo ma nareo? 2Raha tsy apostoly ho an'ny hafa za, de farafaratsiny Apostoly ho an'nareo. Fa nareo no porofo amin'ny maha-Apostoly anà akao amin'ny Tompo.3Zao no ferovako am-reo ze manadiady anà: 4Nga ma zahay tsy mahazo alalana ny ihinana sy isotro? 5Nga ma zahay tsy mahazo mitondra vady ze mpino, ôtrany ataon-reo Apostoly sasagny, sy reo rahalàn'ny Tompo, ary Kefasy? 6Sa Barnabasy sy za rerika no tsy maintsy miasa?7Iza no magnano fanompoana miaramila amin'ny fandaniny manokana? Iza no mamboly vôloboka ary tsy mihinana ny vôny? Na iza no miambina ondry ka tsy misotro ny ronono avy am-zany? 8Nga ma za milaza reo ra reo mifototra amin'ny fahefan'ny olombela? Tsy milaza an-zany kô ma ny lalàna?9Fa zany de efa vôsoratra akao amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: "Aza asena fehi-vava ny omby rafa miely voa izy." Tegna le omby tokôtra ma no hiahian'Andriamanitra? 10Tsy mikoragna momba an'nay ma izy? Efa nosoratana ho antsika, fa ze miasa tany de tokony hiasa amin'ny fanatenana, ary ze mively de tokony hively amin'ny fanantenana ny hahazo anjara amin'ny vokatra. 11Raha namafy ra ara-pagna takeo aminareo zahay, nga be lôtra aminay ma ny mijinja ra ara-materialy avy aminareo?12Rafa mampihatra zany zo zany avy aminareo reo hafa, nga ma zahay tsy managna mihôtra? Na de zany aza, tsy nitaky zany zo zany zahay. Fa kosa, naleonay niaritra ny ra daoly salan-ze ho sakana ho an'ny filazantsaran'i Kristy. 13Nga ma tsy fantatrareo fa ireo ze manompo akao amin'ny tempoly de mahazo ny sakafon-jareo avy akao amin'ny tempoly? Ary nga ma tsy fantatrareo fa reo ze manompo akaigny amin'ny alitara de mahazo anjara am-ze natao fanatitra teo amin'ny alitara? 14Salan-zany kô, ny Tompo de nandidy fa reo ze mitory ny filazantsara de tokony hahazo ny fivelôman-jareo avy amin'ny filazantsara.15Nefa tsy nitaky ny raika tam-reo zo reo za. Ary tsy manoratra an-zao za mba mety hisy ra hatao ho anà. Aleoko maty toy 'zay hisy ôla hangala aminà zany rehareha zany. 16Fa raha mitory ny filazantsara zà, de tsisy antony tokony ireharehako, satria tsy maintsy magnano an'izany zà. Ary loza ho anà raha tsy mitory ny filazantsara!17Fa raha magnano an'izany an-tsitrapo zà, de managna valisoa. Fa raha tsy an-tsitrapo kosa, de mbola managna ny andraikitra ze nankinina taminà zà. 18Ino ary zany no valisoko? Zany de rafa mitory zà, de afaka manolotra ny filazantsara tsisy fandoavam-bola ka mba tsy hampiasa tanteraka ny zoko amin'ny filazantsara.19Fa na de afaka amin'ny daôly aza za, de tonga no mpanompo ho an'ny daôly,mba hazaôko betsaka kokoa. 20Takeo amin'ny Jiosy de lasa salan'ny Jiosy zà, mba hazaôko ny Jiosy. Teo am-reo ze ambanin'ny lalàna, de lasa salan'ny ôla ze ambanin'ny lalàna za mba hazaôko reo ze ambanin'ny lalàna. Nagnano an'izany za na de tsy takeo ambanin'ny lalàna aza ny tegnako. [Fanamarihana: Ny baiboly ULB sy ny UDB de mivaky hoe: "Nagnano an'izany za na de tsy teo ambanin'ny lalàna aza ny tegnako." Ny dikan-teny talô sasagny de tsy manisy an'izany.]21Tam-reo ze avelan'ny lalàna, de lasana salan'ny ôla avelan'ny lalàna za, na de tsy avelan'ny lalàn'Andriamanitra aza ny tegnako, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy. Nagnano an'izany za mba hazaôko ireo ze ambanin'ny lalàna. 22Teo am-reo malemy de lasa malemy zà, mba hazaôko reo malemy. Tonga ra daôly ho an'ny ôlo daôly zà, mba hamonjeko ny sasagny amin'ny fomba daôly. 23Magnano ny ra daôly za ho an'ny filazantsara, mba hazaôko mandray anjara am-reo fitahian'izany.24Nga ma tsy fantatrareo fa amin'ny fiazakazana raika ny mpiazakazaka daôly de magnano ny fiazakazana, nefa raika iany no mahazo ny loka? Ka miazakaza mba hahazo ny loka. 25Ny atileta raika de mampiatra ny fifehezan-tegna amin'ny fagnazaran-tegna daôly. Magnano an-zany zareo mba handray satro-boninahitra ze mety maratra, kanefa kosa tsika miazakazaka mba azahôntsika satro-boninaitra tsy mety maratra. 26Ka no zany de tsy miazakazaka amin'ny tsisy antony zà na mamely tombokondry amin'ny rivotra. 27Fa feheziko ny tegnako ary ataoko andevo, mba tsy ho lavina ny tegnako, rafa avy nitory tamin'ny hafa zà.
Chapter 10

1Teko ho fantatrareo, ry rahalà, fa ireo raintsika de tao ambanin'ny rôndro avokoa ary namakivaky ny ranomasina. 2Ny daôly de natao batisa ho amin'i Mosesy takao amin'ny rôndro sy tao amin'ny ranomaisina, 3ary ny daôly samy nihinana ahanim-pagna mitovy. Ny daôly de nisotro ranom-pagna mitovy. 4Fa zareo de nisotro tamin'ny vatolampim-pangna ze nagnaraka an'azy reo, de Kristy zany vatolampy zany.5Fa Andriamanitra de tsy nankasitraka tsara ny ankamarôn-jareo, ary ny fatin-jareo de niparitaka taigny agn'efitra.6 Am-zao fotôgna zao regny ra regny de ohatra ho antsika, mba tsy hagnirintsika ra ratsy salan'ny nilan-jareo.7Aza manompo sampy, ôtran'ny sasagny tam-jareo. Zany de araka ze vôsoratra hoe: "Reo ôla nipetraka mba hihinana sy hisotro, ary nitsangana mba hilalao." 8Ôka tsika tsy hijangajanga, salan'ny nataon'ny maro tam-jareo. Takao agnatin'ny ray andro, de ôla telo arivo sy ro alina no maty no ny am-zany.9Ôka iany kô tsika tsy hitsapa an'i Kristy, salan'ny nataon'ny maro tam-jareo reo ka naringan-reo menaragna. 10Aza mimonomonona iany kô, ôtran'ny natôn'ny sasagny tam-jareo reo ka naringan'ny anjelin'ny fafatesana.11Ary regny ra regny no nitranga tamin-jareo mba ho ohatra ho antsika. Nosoratana mba ho fampenarana antsika izy regny_ ho amintsika ze nevian'ny fara-andro. 12No zany ôka ze mieritreritra ny tegnany ho efa mijoro mitandrina tsara mba tsy ho lavo. 13Tsisy fakam-pagna nahazo an'nareo ze tsy ikambanan'ny ôlombela daôly. Fa kosa, Andriamanitra de mahatoky. Tsy mambela alaim-pagna mihôtra no ze zakanareo Izy. Miaraka amin'ny fakam-pagna de hognome an'nareo ny làlana hilefasana iany kô Izy, mba hahafahanareo miaritra an'zany.14No zany, ry malalako, milefasa lavitry ny fanompôn-tsampy. 15Mitare aminareo salan'ny ôla manan-tsaigna zà, mba hafahanareo mitsara ze koragnako. 16Ny kapôky ny fisaorana ze isaorantsika, nga ma zany tsy fiombognana amin'ny ran'i Kristy? Ny mofo ze vakintsika, nga ma zany tsy fiombognana amin'ny vatagn'i Kristy? 17Satria raika iany ny mofo, tsika ze betsaka de vatagna raika. Tsika daôly de mandray amin'ny mofo raika iany.18Tazagno reo vahôkan'Israely: nga ma reo ze mihinana reo fagnatitra tsy mpandray anjara akeo amin'ny alitara? 19Ino no ho lazaiko? Hoe tsisy dikany ma zany ny sampy? Se ny ahanina ze natao fagnatitra tamin'ny sampy no tsisy dikany?20Fa mikorana momba ny ra ze ataon-reo Jentilisa mpanompo sampy fanatitra za, fa omen-jareo an'reo demonia regny ra regny fa tsy an'Andriamanitra. Tsy teko anareo ho mpiombogna amin'ny demonia? 21Tsy afaka misotro ny kapôkan'ny Tompo sy ny kapôkan'ny demonia nareo. Tsy afaka miraika akeo amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia nareo. 22Se manakôry ze mahasaro-piaro ny Tompo ma tsika? Mahery no Izy ma tsika?23Ny ra daôly de ara- dàlana, " fa tsy ny ra daôly no mahasoa. "Ny ra daôly de ara-dalàna, " fa tsy ny ra daôly no mampandroso ny ôla. 24Tsisy tokony hikaraka ny tombotsony manokana. Fa kosa, ny tsiraikaraika de tokony hikaraka ny tombotson'ny namany.25Afaka mihinana ze ra daôly amidy aigny an-tsena nareo, fa aza magnontany ny fieritreretana. 26Fa "an'ny Tompo ny tany, sy ze daôly misy akeo am'azy." 27Raha misy tsy mpino magnasa an'nareo hinana, ka te ho aigny anareo, de hoano ze ra daôly mipetraka akeo agnolônareo ka aza mivaky lô mandinika.28Fa raha misy mitare aminao hoe: "Ty ahanina ty de avy aigny amin'ny fagnatitry ny mpanompo sampy," de aza mihinana an'zany. Zany de ho an'le nampafantatra an'nareo, sy ho an'ny fieritreretana. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talô sasagny de magnampy hoe: "Fa ny tany sy ny ra daôly akao amin'azy de an'ny Tompo."Fa ny dikan-teny tsara ndrindraka de tsisy an'zany.] 29Tsy miteny za hoe ny fieritreretana manokana, fa ny fisaignan'ny olon-kafa. Nagnino ny fahafahako no tokony hotsarain'ny fieritreretan'ny hafa? 30Raha mandray Ankara amin'ny ahanina am-pankasitrahana za, akôry no tivativaina am-ze nagnomezako fisaorana?31No zany, na mihinana na misotro anareo, na ino na ino ataonareo, de ataovo ho voninahitr'Andriamanitra daôly. 32Aza magnome fanafitoinana ny Jiosy na ny Grika, na ny fengonan'Andriamanitra. 33Miezaka ny hafaly ny ôla daôly amin'ny ra daôly za. Tsy mikaraka ny tombotsoko za, fa ny an'ny daôly. Ataoko zany mba ho vôvonjy zareo.
Chapter 11

1Aleo tahaka anà, ôtra anà mpaka tahaka an'i Kristy. 2Ary midera an'nareo za satria matsiaro ana amin'ny ra daôly anareo. Midera an'nareo za satria mitàna mafy ny fombafomba araka ze nanolorako an'jareo takeo aminareo nareo. 3Ary teko ho azonareo fa Kristy no lôn'ny lehilà daôly, fa ny lahy no lôn'ny vavy, ary Andriamanitra no lôn'i Kristy. 4Ary magnala voninahitra ny lôny reo leila ze mivavaka na maminagny ka misaron-dô.5Fa magnala voninahitra ny lôny reo vevavy ze mivavaka na maminagny tsy misaron-dô. Fa tsy hafa ary mitovy amin'ny hoe vevavy magnaratra ny lôny zany. 6Fa raha tsy misaron-dô ny vevavy, de tokony tapana ho foika ny volony. Raha mamegnatra ny vevavy ny manapaka ny volony na ny magnaratra ny lôny, de ôka izy hanarogna ny lôny.7Fa tsy tokony hanarogna ny lôny ny leila, satria izy no sary sy voninahitr'Andriamanitra. Fa ny vevavy de voninahitry ny leila. 8Fa ny leila de tsy natao avy tamin'ny vevavy. Fa kosa, ny vevavy no natao avy tamin'ny leila.9Fa tsisy liela noforonina ho an'ny vevavy. Fa kosa, ny vevavy no noforonina ho an'ny leila. 10Zany no tokony hanagnan'ny vevavy ny mariky ny fahefana akeo amin'ny lôny, no reo anjely.11Na zany aza, akao amin'ny Tompo, tsy maleo-tegna amin'ny leila ny vevavy, na ny leila maleo-tegna amin'ny vevavy. 12Fa raha avy amin'ny leila ny vevavy, de ny leila kô de avy amin'ny vevavy. Ary avy amin'Andriamanitra ny ra-daôly.13Tsarao ny tegnanareo: Mety amin'ny vevavy ma ny mivavaka amin'Andriamanitra tsy misaron-dô? 14Tsy vô-janahary miitsy aza ma no mampianatra an'nareo fa raha ny leila no lava volo, de fafam-baraka ho an'azy zany? 15Tsy mampianatra an'nareo ma ny vô-janahary fa raha ny vevavy no lava volo, de voninahitra ho an'azy zany? Fa namena an'azy ny volony mba hanarognana an'azy. 16Fa raha misy te-hiady hevitra am-zany, de tsy managna fampiharana hafa zahay, na reo fengonan'Andriamanitra.17Fa agnatin'ireo torolalana magnaraka, de tsy midera an'nareo za. Fa rafa miara-tonga anareo, de tsy ho amin'ny tsara zany fa ho amin'ny ratsy ndrindra. 18Fa tamin'ny vôlôny ndrindra, de reigniko fa rafa miaraka miangona akao amin'ny fengonana nareo, de misy fizarazarana akeo aminareo, ary mino an'zany amin'ny ampahany za. 19Fa tsy maintsy misy fitsitokotokona akeo aminareo, mba hankasitrana akeo aminareo reo ze nekena.20Fa refa miangona nareo, de tsy ny Fanasan'ny Tompo no hoaninareo. 21Rafa mihinana nareo, de samby mihinana ny ahaniny manokana ny tsiraikaraika alôn'ny ihinanan'reo hafa. Nôna ny raika, ary ny hafa lasa mamo. 22Tsy managna tragno ihinana sy isotrona ma anareo? Ho tsinontsiniavinareo ma ny fengonan'Andriamanitra ka hahetrinareo ze tsy managna na ino na ino? Ino no tokony ho taraviko aminareo? Tokony hidera an'nareo ma za? Tsy hidera an'nareo am-zany za!23Fa noraisiko avy amin'ny Tompo iany kô ze ampitaiko an'nareo, fa Jesosy Tompo, tamin'ny alina ze namadina an'Azy, de naka mofo. 24Rafa avy nisôtra Izy, de nanapaka an'zany ary nitare hoe: "Ty ny vatako, ze ho an'nareo. Ataovo zao ho fatserovana Anà."25Mitovy am-zany kô de noraisiny ny kapôka rafa avy nihinana hariva, ary nitare Izy hoe: "Ity kapôka ity no fanekena vaovao akao amin'ny ràko. Ataovo zao na ovena na ovena nareo no misotro, ho fatsiarovana Anà." 26Amin'ny fotôgna daôly ze hinananareo ity mofo ity sy hisotronareo amin'ity kapôka ity, de magnambara ny fafatesan'ny Tompo mandra-piaviny anareo.27Na iza na iza, no zany, mihinana ny mofo na misotro amin'ny kapôkan'ny Tompo amin'ny fomba tsy mendrika, de ho meloka ny amin'ny vatagna sy ny ràn'ny Tompo. 28Ôka handinika ny tegnany alô ny ôla, ary am-zany de ôka ihinana ny mofo ary hisotro amin'ny kapôka izy. 29Fa izy ze mihinana sy misotro ka tsy mafantatra ny vatagna, de mihinana sy misotro fitsarana ho an'ny tegnany. 30Zany no matonga ny ola betsaka aminareo ho osa sy marary, ary ny sasagny aminareo ho foaty.31Fa raha mandinin-tegna tsika, de tsy ho tsaraina. 32Fa rafa vôtsaran'ny Tompo tsika, de mpagnara-dalàna, mba tsy ho vôheloka miaraka am-zao tontolo zao.33No zany, ry rahalà, rafa miangona mba ihinana anareo, de mifampendrasa. 34Raha misy ôla raika nôna, ôka izy ihinana aigny an-dragno, am-ze daôly miangona anareo de tsy ho amin'ny fitsarana zany. Ary makasika reo ra hafa ze nosoratanareo, de hagnome toro-lalana za rafa tonga.
Chapter 12

1Momba an'reo fagnomezam-panahy, ry rahala, de tsy teko tsy hafantatra anareo. 2Fantatrareo fa tamin'ny mbôla mpanompo sampy anareo, de vôvily nankeigny am'reo sampy tsy miteny anareo, taigny am'ze lalana daôly nitaritan'reny an'nareo.3 Noho zany teko ho fantatrareo fa tsisy ôla ze miteny amin'ny Fanahin'Andriamanitra afaka miteny hoe: "Jesosy de vôozogna." Tsisy ôla afaka miteny hoe: "Jesosy de Tompo," afatsy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina.4Ary misy fanomezam-panahy samihafa, fa Fanahy raika fôna. 5Misy fagnompôna samihafa, fa Tompo raika fôgna;6 ary misy karazan'asa samihafa, fa Andriamanitra raika fôgna no magnano an'azy reo ho azo atao amin'ny tsiraikaraika.7Ary ho an'ny tsiraikaraika no namena ny fanehôna ivelan'ny Fanahy ho an'ny tombotsoan'ny daôly.8 Fa ho an'ny ôla raika no nagnomezana avy amin'ny Fanahy ny tenin'ny fahendrena, ary ho an'ny raika hafa ny tenin'ny fahalalana amin'ny alalan'ny Fanahy raika fôgna.9Ho an'ny raika hafa no nagnomezana ny finoana tamin'ny alalan'ny Fanahy raika, ary ho an'ny raika hafa reo fagnomezam-pahasoavana hagnasitrana amin'ny alalan'ny Fanahy raika. 10Ho an'ny raika hafa no nagnomezana an'reo asan'ny hery, ary ho an'ny raika hafa faminagnena. Ho an'ny raika hafa de namena ny fahafana magnavaka reo fanahy, ho an'ny raika hafa reo karazana fiteny samihafa, ary ho an'ny raika hafa ny fandikana teny. 11Fa ny Fanahy raika fôgna no miasa akao am'zany ra daôly zany, magnome an'reo fagnomezam-panahy ho an'ny ôla isanisany avy, araka ze nofidiny.12Fa satria ny vatagna de raika, ary managna rantsagna maro ary ny daôly de rantagn'le vatagna kô, noho zany de miaraka amin'i Kristy zany. 13Fa tamin'ny alalany Fanahy raika no nagnanôvana batisa an-tsika daôly akao agnatin'ny vatagna raika, na reo Jiosy na reo Grika, na vôfatotra na afaka, ary ny daôly de natao mbô hisotro amin'ny Fanahy raika.14Fa ny vatagna de tsy rantana tokana, fa betsaka. 15Raha mitare ny tongotra hoe: "Satria tsy tàgnana za, de tsy rantsagna amin'ny vatagna za," zany de tsy kely amin'ny vatagna avy. 16Ary raha ny sofigna nonhitare hoe: "Satria tsy maso za, de tsy rantsagna amin'ny vatagna za," zany de tsy kely amin'ny catagna avy. 17Raha maso daôly ny vatagna, de aiza ny fandrinesana? Raha sofina daôly ny vatagna, de ho aiza ny fandrinesana fofona?18Fa Andriamanitra nandamina ny rantsan'ny vatagna tsiraikaraika araka ny naoronany an'zany. 19Raha rantsagana mitovy izy daôly, aiza no hisy vatagna? 20Ka na de rantsagna maro aza zareo, de vatagna raika fôgna.21Ny maso tsy afaka hitare amin'ny tagnana hoe: "Tsisy ilàko an'nao." Na ny lô tsy hitare amin'ny tongotra hoe: "Tsisy ilàko an'nao." 22Fa reo rantsagna amin'ny vatagna lazaina ho malemy de tegna ilaina, 23ary reo rantsagna ze heverintsika fa tsy de manan-danja, de amentsika lanja bebe kokoa reo, ary reo rantsantsika tsy fampiseho de tsy magnana famendrena kokoa. 24Ary ny rantsatsika fampiseho de tsy mila entina amin'ny famendrena, fa reo de efa magnana famendrena, fa Andriamanitra nampitambatra ny rantsagna daôly miaraka ary izy nagnome lanja kokoa an'reo ze tsy ampy an'zany.25Nagnano an'zany Izy mbô tsy hisy fisarana ny vatagna, fa mbô hifampikarakara reo amin'ny fitiavana mitovy reo rantsagna. 26Noho zany rafa mijaly ny rantsagna raika, de miaraka mijaly reo rantsagna daôly; na rafa omen-danja, de miaraka mifaly reo rantsagna daôly. 27Ary anareo de vatagn'i Kristy ary rantsagna am'zany ny tsiraikaraika.28Ary Andriamanitra nanendry takao amin'ny fiangonana reo Apôstôly alôha, faharôy reo mpiaminagny, fatelo reo mpampianatra, avy akeo reo ze magnano an'reo asa mahagaga, avy akeo reo fanomezam-pahasoavana hagnasitrana, reo ze magnome fzgnamena, reo ze magnano asan'ny fitantanan'asa, ary reo ze managna karazana fiteny samihafa. 29Apôstôly ma izy daôly? Se mpamignany daôly? Se mpampianatra daôly? Se magnano asa magaga daôly?30Managna reo fanomezam-panahy hagnasitrana ma izy daôly? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ma izy daôly? Mandika teny ma izy daôly? 31Katsaho amin'ny zotom-po reo fagnomezam-pahasoavana tegna geda. Fa hampiseho an'nareo lalana tsaratsara kokoa za.
Chapter 13

1Na de atao hoe mitare amin'ny fitenin'ireo ôla sy reo anjely aza za. Fa raha tsy managna fitiavana, de tonga vy magneno na kipantsona mikarantsam-peo za. 2Na de atao aza hoe managna fagnomezan'ny faminagnina ary mahalala reo zava-miafina sy fahalalana daôly aza za, ary managna ny finoana daôly afahana mamindra reo tanety. Fa raha tsy manam-pitiavana; de tsisy dikany za. 3Na de atao hoe magnome ze ra daôly anagnako hamahanana ny mahantra aza za, ary manolotra ny tegnako, de tsy mahazo na ino na ino za. [Fagnamarihana: Ny ULB sy ny UBD de samy managna dikan-teny betsaka, mivaky ôtran-zao hoe: "Ameko mba hodorana ny tegnako." Ny dikan-teny sasagny kosa de mivaky hoe: "Ameko ny tegnako mba ho dorana."]4Ny fitiavana de mahari-po sady tsara fagna. Ny fitiavana de tsy mitsiriritra na mirehareha. Tsy miavogna 5na magnano ze tsy mahamendrika. Tsy ti tegna. Tsy mora sosy, na mitanisa fahadisona. 6Tsy mifaly amin'ny tsy fahamarinana. Fa kosa mifaly amin'ny fahamarinana. 7Ny fitiavana de mandefitra ny ra daôly, mino ny ra daôly, matoky ny ra daôly, ary miharitra ny ra daôly.8Tsy ho tapitra mandrakizay ny fitiavana. Raha misy faminagnina, de ho levona reo. Raha misy fitenenana amin'ny teny tsy fantatra, hitsahatra reo. Raha misy falalana de ho levona zany. 9Fa tsika de mafantatra amin'ny ampahany ary maminagny amin'ny ampahany. 10Fa rafa tonga le tegna lafatra, de ho levona ze tsy tanteraka.11Fony mbola zaza za, de nikoragna salan'ny zaza, neritreritra salan'ny zaza, nisaigna salan'ny zaza. Rafa leibe za, de navelako ny fazazana. 12Fa am-zao fotôgna zao tsika de matazagna tsy mivantagna amin'ny fitaratra, fa ratrizay de hifagnatri-tava. Am-zao fotôgna za de mahafantatra amin'ny ampahany, fa avy akeo za de hafantatra tanteraka ôtran'ny nafantarana ana tanteraka.13 Fa am-zao fotôgna zao de reto telo reto no mipetraka : ny finona, ny fanantenana, ary ny fitiavana. Fa ny leibe ndrindraka am-reo de ny fitiavana.
Chapter 14

1Mikara fitiavana ary ôka ho be zotom-po amin'reo fagnomezam-pagna, indrindra fa ny mba haminagnianareo. 2Fa ze mitare amin'ny fiteny tsy fantatra de tsy miresaka amin'ôla fa amin'Andriamanitra. Fa tsisy mahazo an'azy satria miresaka ra-misitrika akao amin'ny fagna izy. 3Fa ze maminagny de miresaka amin'ôla mba ho fananganana an'jareo, famporisiana an'jareo,ary fampiononana an'jareo. 4Ze mitare amin'ny fiteny tsy fantatra de magnorina ny tegnany, fa ze maminagny de magnorina fengonana.5Am'zao de magniry daôly anareo hitare amin'ny fiteny tsy fantatra. Fa mbôla miôtra no zany aza, magniry Za ny haminagninareo. Ze maminagny de geda kôkô no ze mitare amin'ny fiteny tsy fantatra (raha tsy hoe misy ôla raika mandika teny ka mba manjary hanaganan'ny fengonana). 6Fa am-zao, ry rahalà, raha tonga akeo aminareo amin'ny fiteny tsy fantatra za, ino no tombon-tsoa omeko anareo am-zany? Tsy afaka za, raha tsy hoe miresaka aminareo amin'ny fagnambarana, na falalana, na faminagnina, na fampenarana.7Raha mamôka feo reo ra-magneno tsy manan'aigna ôtran'ny sodina na lokanga ary tsy mamôka lantom-peo samihafa reo, akôry no hafantaran'ny ôla ze melodia avôkan'ny sodina na ny lokanga? 8Fa raha magnano feo hafahafa ny trompetra, akôry no hafataran'ny ôla rafa fotôgna hiomanana amin'ny ady? 9Ka salan'zany ihaigny kô ny aminareo. Raha tsy mazava ny tegny avôkan'ny vavanareo, akôry no hafantaran'ny ôla ze nolazainareo? Hitegny nareo, ary tsisy hahazo an'zany anareo.10Misy fiteny betsaka samihafa aketo am-zao tontolo zao, ary tsisy am-regny no tsisy dikany. 11Fa raha tsy mafantatra ny dikan'ny fiteny raika za, de ho vahiny amin'ze miteny, ary ze miteny ho vahiny aminà.12Ôtran-zany ihaigny kô ny aminareo. Satria magniry fatratra ny fihetsehan'ny Fagna nareo, de magnàna zotom-po mba hiroborobo amin'ny fanaganana ny fengonana. 13No zany ze mitare amin'ny fiteny tsy fantatra de tokony hivavaka mba hafany mandika teny. 14Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra Za, de mivavaka ny fagnako, fa ny saiko tsy mamô.15Ino no tokony ho atôko? Hivavaka amin'ny Fagnako za, fa hivavaka amin'ny saignako iany kô. Hihira miaraka amin'ny Fagnako za, ary hihira miaraka amin'ny saignako iany kô. 16Raha tsy zany, raha midera an'Andriamanitra miaraka amin'ny Fagna anareo, akôry no hitenenan'ny vahiny hoe: "Amena" rafa magnome fisaorana enao raha to ka tsy fantany ze lazaiano.17Fa enao de tegna magnome fisaorana tsara iany, fa ny olon-kafa tsy miorina. 18Misôtra an'Andriamanitra za fa mitare amin'ny fiteny tsy fantatra mihôtra no anareo daôly. 19Fa ny aigny am-pengonana de aleoko mitare teny dimy araka ny fazaôko mba hafako mampianatra reo hafa, salan-ze teny rai-alina amin'ny fiteny tsy fantatra.20Ry rahalà, aza mba zaza amin'ny fihevitrareo. Fa kosa, raha amin'ny ratsy de magnanôva ôtran'ny zaza. Fa amin'ny fihevitrareo de ôka ho matotra anareo. 21Akao amin'ny lalàna de vôsoratra hoe: "Amin'ny alalan'ny ôla hafa fiteny sy amin'ny alalan'ny molotry ny vahiny de hiresaka amin'reto ôla reto Za. Na de tsy hareigny Ana aza izy reo," ozy ny Tompo.22No zany reo fiteny tsy fantatra de famatarana, tsy amin'reo mpino, fa amin'reo tsy mpino. Fa ny faminagniana kosa de ho famatarana, tsy ho an'reo tsy mpino, fa ho an'reo mpino. 23No zany, raha to ka miara-miangona ny fengonana daôly ary mitare amin'ny fiteny tsy fantatra avokoa, ary miditra reo vahiny sy tsy mpino, tsy ho lazain-jareo fa adala ma nareo?24Fa raha naminagny avokô nareo daôly ka nisy tsy mpino na vahiny niditra, de ho resy lahatra am-ze daôly reigneny izy. Ho tsaraina amin'ny alalan-ze daôly vôlaza izy. 25Ho ambara ny tsiambaratelo akao am-pony. Vokatr-zany, hekoka izy ary hisôtra an'Andriamanitra. Hanambara izy fa tegna akeo aminareo Andriamanitra.26Ino zany no manaraka, ry rahalà? Rafa tafaray anareo, ny tsiraikaraika de magnana salamo, fampegnarana, fanambarana, fiteny tsy fantatra, na fandikan-teny. Atôvy ny ra-daôly mba hanorenanareo ny fengonana.27 Raha misy mitare amin'ny fiteny tsy fantatra, avelao hisy ro na farafabetsany telo eo, ary mande tsiraikaraika, avy akeo de tokony hisy tokana handika ny tegny ze vôlaza.28 Fa raha tsisy mpandika tegny, avelao ny tsirairay amin'jareo hitazona fahanginana akao am-pengonana. Avelao ny tsirairay hiresaka mitokona amin'ny tegnany sy amin'Andriamanitra.29Avelao hitare ny mpamignany ro na telo, ary avelao reo hafa hihaino amin'ny fahaiza-manavaka ze vôlaza. 30Fa raha misy fahitana omena ze mipetra akeo amin'ny fanompoana, avelao hangina le raika ze niteny.31Fa ny tsiraikaraika de afaka mifandimby mamignany mba hafahan'ny tsiraikaraika mianatra ary mba hahery ny daôly. 32Fa ny fagnan'reo mpamignany de akeo amban'ny fagnaraha-mason-reo mpamignany. 33Fa Andriamanitra de tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa ny fiadanana. Zany no fitsipika ho an'reo fengonan'reo mpino daôly.34Ny vevavy de tokony hitazona fanginana akao am-pengonana. Satria tsy mahazo alalana hitare zareo. Fa kosa, tokony hagneky zareo, salan'ny ambaran'ny lalàna. 35Raha misy irin-jareo henarana, avelao hanontany ny vadiny aigny an-trano izy reo. Fa mamenatra ho an'ny vevavy ny mitare akao am-pengonana. 36Avy aminareo ma no neven'ny tenin'Andriamanitra? Anareo rerika ma no vôkasik-zany?37Raha misy meritreritra ny tegnany ho mpaminagny na ara-pagna, de tokony hagneky izy fa reo ra ze soratako aminareo de didin'ny Tompo. 38Fa raha misy tsy magneky zany de aleo izy tsy ho ekena. [Fanamarihana: Ny ankamaroan'ny dikan-teny, akao agnatin-zany NY ULB sy UDB, de mamaky hoe: "Fa raha misy tsy magneky zany de ôka tsy ho ekena ." Ny dikan-teny sasagny talô magnano hoe: "Fa raha misy tsy malala izany, de oka izy tsy halala izany."]39Koa am-zany, ry rahalà magniry fatratra ny haminagny, ary aza mandrara an'iza na iza hitare amin'ny fiteny tsy fantatra. 40Fa avilao ny ra-daôly atao araka ny tokony ho izy sy am-pilaminana.
Chapter 15

1Am'zao fotôna zao mampatsiaro an'nareo za, ry rahala, ny amin'ny filazantsara ze nambarako taminareo, ze noraisinareo sy ze nitsangananareo. 2Amin'ny alalan'zany filazantsara zany no hamonjena an'nareo, raha mitana mafy amin'ny teny notoriko taminareo anareo, raha tsy hoe ninonino fôgna anareo.3Fa nameko ho zava-dehibe vôlôny ho an'nareo ze vôraiko iany kô: fa maty ho an'ny fahotantsika Kristy araka ny Soratra Masina, 4ary nalevina Izy, ary Izy de natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.5Kristy de nibôgna tamin'i Kefasy, ary avy akeo tam'reo rombefolo; 6avy akeo de nibôgna ndraika tam'reo rahala miôtra ny dimanjato Izy. Mbola velona ny ankamarôn-jareo, fa ny sasagny efa maty. 7Avy akeo Izy nibôgna tamin'i Jakoba, avy akeo tam'reo apostoly daôly.8Farany ndrindra, de nibôgna tamina Izy, salan'ny hoe tamin'ny zaza teraka tsy tonga volana. 9Fa za no kely ndrindra am'reo apostoly. Za de tsy mendrika antsovina hoe Apostoly satria nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra za.10Fa nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra no naha ôtran'zao anà, ary tsy fôgna ny fahasoavany akato amina. Fa kosa, miasa mafy kokoa noho izy daôly za. Nefa tsy za zany, fa ny fahasoavan'Andriamanitra ze miaraka amina. 11Noho zany na za zany na zareo, araka ny nitorianay de araka zany noninoanareo.12Am'zao fotôna zao raha lazaina fa i Kristy de natsangana tamin'ny maty, manakôry no mety ahafan'ny sasany aminareo milaza fa tsisy ny fitsanganana amin'ny maty? 13Nefa raha tsisy ny fitsanganana amin'ny maty, de tsy natsangana mitsy Kristy; 14ary raha tsy natsangana Kristy, de fôgna ny fitorianay, ary fôgna iany kô ny finoanareo.15ka, de hita ho vavolombelona diso momban'Andriamanitra zahay satria nitsangana vavolombelona nanohitra an'Andriamanitra, nitare hoe natsangany i Kristy rafa tsy nagnano zany Izy. 16Raha tsy natsangana ny maty, de na Kristy aza tsy natsangana; 17ary raha tsy natsangana Kristy, de fôgna ny finoanareo ary de mbôla akao amin'ny fahotanareo anareo.18Ary ze daôly maty akao amin'i Kristy de efa very iany kô. 19Raha am'ty fiaignana ity fôgna no azaôtsika antoka fa ny ho avy akao amin'i Kristy, de tsika no mampalaelo ndrindra amin'ny ôla daôly.20Fa am'zao fotôna zao de efa natsangana tamin'ny maty Kristy, le voaloham-bokatr'reo ze maty. 21Fa satria tonga tamin'ny alalan'ny ôla ny fafatesana, avy tamin'ny alalan'ny ôla iany kô no niavian'ny fitsanganan'ny maty.22Fa salan'ny nafatesan'ny daôly takao amin'i Adama, de ho vilomina akao amin'i Kristy iany kô ny daôly. 23Kanefa samy akao amin'ny filaharany manokana ny tsiraikaraika: Kristy, le vôlôm-bokatra, ary avy akeo reo ze an'i Kristy de hatao velona amin'ny fevíny.24Avy akeo de ho tonga ny farany, rafa amen'i Kristy ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana. Zany de raga hanafôna ny fitsipika daôly sy ny fahefana daôly ary ny hery Izy. 25Fa tsy maintsy manjaka Izy mandra-pametrany ny favalony daôly akao ambanin'ny tongony. 26Ny favalo farany ho haringana de ny fafatesana.27Fa "Napetrany takeo ambanin'ny tongony avokoa ny ra daôy." Fa vôlaza fa: "Izy no nametraka ny ra daôly," de mazava tsara fa tsy tafiditra akao agnatin'zany le raika nametraka ny ra daôly hagneky ny tegnany. 28Rafa nagneky an'Azy ny ra daôly, de ny Zanaka miitsy no haneky le raika ze nampaneky ny ra daôly ho an'Azy. Hibôgna zany mbô ho daôly akao amin'ny daôly ny Andriamanitra Ray.29Na kô ino ma no ilana reo ze vita batisa ho an'ny maty? Raha tsy natsangana miitsy ny maty, magnakôry ma zareo no natao batisa ho an-jareo? 30Magnakôry ma, tsika no am-bava loza isan'ora?31Miatrika fafatesagna isan'andro za! Zany de azo antoka salan'ny fireareako ny aminareo, ze azoko akao amin'i Kristy Jesosy Tompotsika. 32Ino ma no tombony azoko, avy amin'ny fomba fijerin'ôlombelona, raha niady tamin'ny biby takao Efesosy za, raha tsy natsangana ny maty? "Ôka tsikana hinana sy hisotro satria ho faty tsikana rapitso."33Aza mety ho fitahana hoe: "Manimba ny fisaignana tsara ny naman-dratsy." 34Mandiniha! Miaignà am-pamarinana! Aza manohy magnota! Fa y sasagny aminareo de tsy managna falalana an'Andriamanitra. Milaza zany ho amin'ny famenaranareo za.35Fa ny ôla raika hitare hoe: "Nanakôry ma no nananganagna ny maty, ary amin'ny karazagna vatagna ino no hatongavan-jareo?" 36Tsy malala na ino na ino anareo! Ze hafafinareo de tsy hanomboka hitombo raha tsy maty zany.37Ze nafafinareo de tsy vatagna ze ho avy, fa voa fotsiny. Zany de mety ho lasana vary na ra hafa. 38Fa amen'Andriamanitra ny vatagna araka ze safidiany, ary samy amin'ny vatagny avy ny voa tsiraikaraika. 39Tsy ny nofo daôly no mitovy. Fa kosa, raika ny nofon'ôlombelona, de hafa ny nofon'reo biby, ary noho hafa ny an'reo vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.40Misy iany kô reo vatagna aigny an-dagnitra sy reo vatagna akeo an-tany. Fa karazana raika iany ny voninahitry ny vatagna aigny an-dagnitra ary hafa ny voninahitry ny aketo an-tany. 41Raika ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary voninahitra hafa ny an'reo kintana. Fa ny kintana raika miavaka amin'ny kintana raika hafa amin'ny voniahitra.42Salan'zany kô ny fitsanganana amin'ny maty. Ze afafy de mety simba, ary ze atsangana de tsy mety simba. 43Afafy tamin'ny fafam-baraka zany; de natsangana am-boninatra. Afafy tamin'ny falemena zany; de natsangana amin'ny hery. 44Afafy amin'ny vatagna vôjanahary zany; de atsangana ho vatagna ara-panahy. Raha misy vatagna vôjanahary, de misy vatagna ara-panahy iany kô.45Ary efa vôsoratra iany kô fa: "Lasana fanahy velona Adama le leila vôlôny" Le Adama farany de lasana fanahy magnome fiaignana. 46Fa tsy ny ara-panahy no tonga vôlôny fa ny vôjanahary, ary avy akeo ny ara-panahy.47Ny ôla vôlôny de avy amin'ny tany, namboarina tamin'ny vovoka. Ny ôla farôy de avy aigny an-dagnitra. 48Salan'le raika namboarina tamin'ny vovoka, salan'zany kô le ôla aigny an-dagnitra, ary salan'zany iany kô reo ze avy aigny an-dagnitra. 49Salan'ny nitondratsika ny endriky le ôlon'ny vovoka, de hitondra ny endrik'le ôlon'ny lagnitra iany kô tsikana.50Ary zao no taraviko, ry rahala, fa ny nofo aman-drà de tsy afaka handova ny fanjakan'Andriamanitra. Na ze mety simba handova ze tsy mety simba. 51Indro! Zava-miafina no ho lazaiko an'nareo hoe: Tsy ho foaty avokoa tsika daôly, fa hovana avokoa tsika daôly.52Hiova tsikana amin'ny fotôna raika, akao agnatin'ny ndray mipi-maso, amin'ny tropetra farany. Hagneno ny tropetra, ary reo maty de hatsangana ho tsy mety lo, ary de hovana tsikana. 53Fa ty vatagna mety simba ty de tsy maintsy hitafy ze tsy mety lo, ary ty vatagna mety maty ty de tsy maintsy hitafy ny tsy fafatesana.54Fa rafa mitafy ny tsy mety simba ty vatagna mety simba ty, ary rafa mitafy ny tsy fafatesana ty vatagna mety maty ty, de ho tonga am'le teny ze vôsoratra hoe: "Vôtelina tamin'ny fandresena ny fafatesana." 55"Ry fafatesana, aiza ny fandresenao? Ry fafatesana, aiza ny fanindronanao?"56Ny ota no fanindron'ny fafatesana, ary ny herin'ny ota de ny lalàna. 57Fa isaorana Andriamanitra, ze magnome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompotsika!58Noho zany, ry rahala malalako, miorena tsara ary aza miozingozona. Miroboroboa mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maina ny asanareo akao amin'ny Tompo.

Chapter 16

1Ary mikasika ny fagnangana-mbola ho an 'reo mpino, araka ny nagnatoroko lalana ny fiangonan'i Galatia, de salan'zany kô no tokony ataonareo. 2Amin'ny andro vôlôn'ny herin'andro, de tokony hagnavaka ra ny tsiraikaraika aminareo ary hitahiry zany araka ze vitanareo. Magnanôva zany mbô tsy hisian'ny fagnangonam-bola rafa tonga za.3Rafa tonga za, n'iza n'iza ekenareo, de alefako miaraka amin'ny taratasy mbô agnaterako ny faagnatitra ho an'i Jerosalema za. 4Raha tô ka mety aminà iany kô ny mande, de hande hiaraka aminà zareo.5Fa ho aigny aminareo za rafa mandalo an'i Makedonia. Fa handalo an'i Makedonia za. 6Mety hijanona miaraka aminareo za na mandritra ny rirignina mitsy aza, mbô ahafanareo magnampy anà amin'ny deko, n'iza n'iza ombako.7Fa tsy magniry hatazagna an'nareo mandritra ny fotôna fohy za zao. Fa magnantena ny hipetraka maharitra miaraka aminareo, raha avelan'ny Tompo. 8Fa hijaona akao Efesaosy za mandra-patongan'ny Pentekosta, 9fa efa varavaragna malalaka no nisokatra ho anà, ary misy favalo maro.10Ary rafa tonga i Timoty, de ezaho mbô tsy hatatra izy miaraka aminareo, fa magnano ny asan'ny Tompo izy, ôtran'ny ataoko. 11Aza avela hisy ôla hagnano tsinotsinona an'azy. Ampeo izy amin'ny lalan'ny fiadanana, mbô ahafahany magnantona anà. Fa mandigny an'azy mbô ho tonga hiaraka am'reo rahala za. 12Ary makasika an'i Apolosy ralatsika, de nampirisika an'azy mafy za mbô hitsidika an'nareo miaraka am'reo rahala. Fa mbôla den'ny ho tonga izy am'zao fotôna zao. Na zany aza, ho tonga izy rafa mety ny fotôna.13Miembena, mipitraha tsara amin'ny finoana, miasà ôtran'ny leila, mahereza. 14Ôka ho atao am-pitiavana ze ataonareo daôly.15Hainareo ny tokatranon'i Stefanasy, fa zareo no niova fo vôlôny tao Asaia, ary zareo nametraka ny tenan-jareo ho amin'ny fagnompôna ny mpino. Ary mamporisika an'nareo za, ry rahala, 16mbô hagneiky ny ôla salan'zany sy amin'ny ôla daoly ze magnampy amin'ny asa sy miasa miaraka aminay.17Mifalia amin'ny fatongavan'i Stefanasy, Fortinatasy, ary Akaiosy za. Nameno ny tsy naha-teo an'nareo zareo. 18Fa namelombelona ny fanahiko sy ny an'nareo zareo. Ka noho zany, fantaro ny ôla salan'zany.19Reo fiangonan'i Asia de magnano veloma an'nareo. Akila sy Pritsila de magnano veloma an'nareo akao amin'ny Tompo, miaraka amin'ny fiangonana ze akao amin'ny fonenan-jareo. 20Ny rahala daôly magnano veloma an'nareo. Mifaganova veloma amin'ny oroka masina.21Za, Paoly, manoratra ty amin'ny tagnako. 22Raha misy ôla tsy te ny Tompo, enga ane mbô ho vôhozogna izy. Ho tonga, ny Tompotsika! 23Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. 24Ho aminareo daôly ny fitiavao akao amin'i Jesosy Kristy. [Fanamarihana: Ny dikan-teny talô de magnampy hoe: "Amena." Fa ny vaovao hafa, akao agnatin'zany ny ULB sy ny UDB, de manala an'zany.]

2 Corinthians

Chapter 1

1Paoly, Apostoly raika an'i Kristy Jesosy tamin'ny sitrapon'Andriamanitra, sy Timoty ralahintsika, ho an'ny fiangonan'Andriamanitra ze akao amin'ny Korinto, ary ho an'reo mpino daôly manerana ny faritry Akaia. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Tompo Jesosy Kristy.3Ho Deraina anie ny Andriamanitra sy Rain'ny Tompotsika Jesosy Kristy. Izy no Rain'ny famondram-po daôly sy Andriamanitra ny fampiononanana daôly. 4Andriamanitra de mampionona antsika amin'ny fahoriantsika daôly, ka mbô afantsika mampionona reo ze akao agnaty fahorena. Tsikana de mampionona reo hafa salan'ny fampiononana ze nampiasain'Andriamanitra ampiononana antsika.5Fa salan'ny hitomboan'ny fijalen'i Kristy nohon'ny aminay, no hitomboan'ny fampiononana an'nay ka amin'ny alalan'i Kristy. 6Fa raha nampahoriana ze, zany de ho an'ny fampiononana sy famonjena an'nareo. Ary raha nampiononona zahay, zany de ho an'ny fampiononana an'nareo. Ny fampiononanareo de mandaitra rafa mana-paharetana hizara reo fijalena ze mitovy amin'ny fijalenay kô. 7Fa ny fatokisanay momba an'nareo de azo antoka, satria zahay de mafantatra fa anareo kô de mizara reo fijalena, anareo kô de mizara fampiononana.8Fa tsy tenay anareo tsy afantatra, ry ralahy, ny am'reo ôla nanjo an'nay taigny Asia. Zahay de novesarina tanteraka mihôtran'ze tokony ho zakanay, betsaka lôtra ka tsy nagnantegna ny hiaigna ela tsony zahay. 9Takeo aminay tokoa ny fanamelôhana ho faty. Fa zany no nahatonga an'nay tsy hametraka ny tokinay akeo amin'ny tegnanay iany, fa kosa amin'Andriamanitra ze mampitsangana ny maty. 10Nagnavotra an'nay tamin'ny loza mafaty salan'ny zany Izy, ary mbôla hagnavotra ndre. Zahay de nametraka ny tokinay tamin'azy fa mbôla hagnafaka an'nay ndre Izy.11Izy de hagnano an'zany satria anareo kô de magnampy an'nay amin'ny alalan'ny vavakareo. Ary betsaka avekeo no hagnome fisaorana amin'ny agnaranay noho ny tombom-pahasoavana namena an'nay tamin'ny alalan'reo vavaka betsaka.12Zahay de mirehareha am'zao: fijoroana vavolombelona ny amin'ny feon'ny fieritreretanay. Fa tamin'ny fikasana madio sy fatsoram-po ze avy amin'Andriamanitra ze nitondranay ny tegnanay akao am'zao tontolo zao. Zahay de navita zany daôly zany ary ny ankabeazany niaraka taminareo - tsy tamin'ny faendren'zao tontolo zao, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 13Zahay de tsy nagnoratra ra tsy ho vôvaky na ho azonareo. Za de magnantegna fa, 14satria anareo nahazo ny momba an'nay amin'ny ampahany, zahay de ho anton'ny reharehanareo amin'ny andron'ny Tompontsikana Jesosy, salan'ny nareo ho antony hireharehanay.15Satria natoky ny momba an'zany za, de te ho aikaigny aminareo alô, mbô hafahanareo mahazo tombony amin'ny fitsidihana roey. 16Niomagna ny hitsidika an'nareo rafa taigny amin'ny lalako ho aigny Makedonia za. Ary avekeo de mbôla magniry ny hitsidika an'nareo ndre za tamin'ny deko avy aigny Makedonia, ary ny mbô hanateranareo anà teny amin'ny alalako ho aigny Jodia avekeo.17Rafa nieritreritra ôtran'zany za, nisalasala ma za? Nagnomagna reo ra reo araka ny nofo ma za, mbô itinenako "Yôny, yôny" sy "Tsia, tsia" amin'ny fotôna raika iany? 18Fa satria Andriamanitra de mahatoky, tsikana de tsy afaka ny hitare na "Yôny" na "Tsia."19Fa ny Zanak'Andriamanitra, Jesosy Kristy, ze nitorian'i Sylvanosy, Timoty ary za taminareo, de tsy "Yôny" na "Tsia." Fa Izy de nitare fôgna hoe "Yôny". 20Satria ny fampanantenan'Andriamanitra daôly de "Yôny" avokoa akao amin'Azy. Ka amin'ny alalany kô tsikana de hitare hoe "Amena" ho an'ny voninahitr'Andriamanitra.21Ary Andriamanitra ze magnamafy an'nay aminareo akao amin'i Kristy, ary Izy no nagniraka antsikana. 22Izy de nagnisy tombo-kase tamintsikana ary nagnome ny Fanahy ho akao am-pontsikana ho antok'ze mbôla ho ameny antsikana akao afara.23Fa nagnantso an'Andriamanitra za, hijoro vavolombelona ho anà ze antony tsy natongavako tao Korinto mbô hamindrako fo aminareo. 24Zany de tsy sagnatre noho zahay magnezaka ny mamehy ze tokony ho finoanareo. Fa kosa, zahay de miara-miasa aminareo amin'ny fifalenareo, satria anareo mitsangana akao amin'ny finoanareo.

Chapter 2

1Fa nanapakevitra ny tsy hankaty am'nareo ndre za amin'ny alaelo. 2Rafa niteraka an'nareo za, iza no afaka mampifaly anà afa tsy le nampalaeloviko.3Nanoratra za salan'ny nataoko mba tsy alaelo ze tokony nampifaly anà rafa tonga taigny aminareo. Fa de managna fatokisana an'nareo daôly, fa ny fifaleko de mitovy amin'ny fifalenareo daôly. 4Fa nanoratra ho an'nareo za avy tamin'ny faoriam-be, miaraka amin'ny alaelon'ny fo sy ny ranomaso be. Tsy te hampalaelo an'nareo za. Fa kosany te hilaza an'nareo ny alalign'ny fitiavana ze anagnako ho an'nareo.5Raha nisy ôla nampalaelo, tsy nanagna an'zany taminà fôgna izy, fa amin'ny endrika hafa tsy hitarina lôtra zany aminareo daôly. 6Ampy ny fagnasazina nataon'ny ôla maro an'io ôla io. 7Ka am'zao fotôna zao raha tokony ho sazina, nareo de tokony hamela heloka sy hampionona an'azy. Ataovo zany mba tsy handifotra an'azy ny alaelo be lôtra.8No zany de mampahery an'nareo za mba hilaza ampabemaso ny fitiavanareo an'azy.9 Zany no antony nanoratako, de mba ahitako an'nareo ary hafatarako na magneky amin'ny ra-daôly nareo.10Raha mamela ôla anareo, mamela an'zany ôla zany kô za. Izay navelako (raha malela heloka za) zany famela zany de fitiavana an'nareo amin'ny fagnatren'i Kristy. 11Zany de mba tsy hamitan'i Satana an'nay. Satria zahay de efa mafantatra ny heviny.12Nisokatra ho anà ny varavaragna tamin'ny Tompo refa tonga tao Troasy nitory ny filazantsara an'i Kristy taigny. 13Na zany aza, tsy nilamina ny saignako, satria ty natazagna an'i Titosy rahalako taigny. Arak'zany de nandôsa an'jareo za ary nande niverigna taigny Makedonia.14Fa isarorana anie Andriamanitra, ze akao amin'i Kristy mitarika an'nay mandrakariva ao amin'ny fandresena. Amin'ny alalantsika de aeliny n'aiza n'aiza ny hanitra mamin'ny fafantarana an'azy. 15Fa zahay de hanitra mamin'i Kristy an'Andriamanitra, na tam'reo ze ho vonjena na reo ze ho very.16Ho an'ny ôla ze ho foaty, zany de hanitra avy amin'ny fafatesana. Ho an'reo ze ho vonjena de hanitra avy amin'ny fiaignana hoa amin'ny fiaignana. Iza no mendrika am'reo ra reo. 17Fa zahay tsy sahala am-reo ôla sasagny ze mivarotra ny tenin'Andriamanitra mba azahôna tombony. Fa kosany amin'ny fadovam-po no itinenanay akao amin'i Kristy, satria nalefa avy amin'Andriamanitra zahay, tao amin'ny fahitan'Andriamanitra.
Chapter 3

1Manomboka hidera-tegna ndre ma zahy? Izahy de tsy mila an'reo taratasy fagnamarinana aminareo na avy aminareo, ôtran'ny ôla sasagny, sa tsy zany? 2Ny tegnanareo no taratasy fagnamarinanay, ze vôsoratra akao am-pontsika, ze fantatra ary vakian'ny ôla daôly. 3Anareo no mampibôgna fa taratasy fagnamabarana avy am'Kristy, ze natolontsika. Zany de tsy vôsoratra tam'ranomainty fa tam'Fagnan'le Andriamanitra velona. Zany de tsy vôsoratra tam'takela-bato, fa takeo am'takelaky ny fon'ny ôlombelona.4Ary zany no toky ze anagnantsika akeo hagnatrehan'Andriamanitra amin'ny halalan'i Kristy. 5Atsika de tsy amin'ny tegnantsika mba handray na ino na ino ze avy amintsika. Fa kosa, ny fahefantsika de avy amin'Andriamanitra. 6Andriamanitra no nagnano amintsika mba ho mpanompon'ny fanekena vaovao. Zany de fanekena tsy avy amin'ny soratra fa an'ny Fagna. Fa ny soratra mamono, ary ny Fagna. Fa ny soratra mamono, ary ny Fagna magnome aigna.7Ary ny asa ze niteraka fafatesana - de vôsoratra akeo ambonin'ny vato - de tonga tamim-boninahitra leibe ka ny vahôkan'Israely de tsy afaka nibanjina ny tavan'i Mosesy. Zany de nony voninahitry ny tavany, ny voninahitra ze nihalevona. 8Ho voninahitra leibe ôtran'ny ahôna ny asa ze ataon'ny Fagna?9Fa raha managna voninahitra ny asan'ny fagnamelohana, de ôtran'ny akôry ny fitombon'ny voninahitrin'ny asan'ny famarinana! 10Satria tokô, ze namena voninahitra ndray mande de tsy hanamboninahita intsony am'zany fomba zany, non'ny voninahitra ze nampitombo an'zany. 11Fa raha ze nandalo iany no nanagna voninahitra, de tsy hanagna voninahitra mihôtra no zany ma ze maharitra!12Satria managna toky, salan'zany tsika, de sahy tokô. 13Tsika de tsy salan'i Mosesy, ze nanarogna ny tavany tamin'ny voaly, mba tsy hafahan'ny vahôkan'Israely mijery an'azy mivantagna amin'ny fefaran'ny voninahitra ze mandalo fôgna.14Fa ny sain-jareo, de donto. Na de mandrakizao zany voaly zany de mbola mijanona akeo amin'ny famakina ny fanekena talô. Tsy misokatra zany, satria akao amin'ny Kristy fôgna zany no alàna. 15Nefa na de am'zao aza, na ovena na ovena no vakina ny lalan'i Mosesy, de manarogna ny fon'jareo ny voaly. 16Nefa raha mitodika amin'ny Tompo ny ôla, de alàna ny voaly.17Ary ny Tompo de Fagna. Ze misy ny Fagnan'ny Tompo, de misy fahafana. 18Ary antsika daôly, tsy misarom-boaly, de matazazgna ny voninahitry ny Tompo. Tsika de efa vôova ho akao amin'ny voninahitra mitovy ze avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra, ze avy amin'ny Tompo, ze tsy iza fa ny Fagna.
Chapter 4

1No zany, satria zahay managna an'zany asa fanompoana zany, ary vô nahazo famindram-po, de kivy zahay. 2Fa kosany, nolavinay reo fomba mamegnatra sy miafina. Tsy miaigna am'fitaka zahay, ary mampiasa marina ny tenin'Andriamanitra. Am'fampisehoana ny marina, zahay de mandidy ny tegnanay ny am'feon'ny fieritreretan'ny ôla mba ho entina akeo amason'Andriamanitra.3Fa raha vôsarogna ny filazantsaranay, zany de ho vôsarogna am'reo ze maty rerika iany.4 Am'toe-draraha mibôgna am-jareo, ny andriamanitr'zao tontolo zao najamba reo saigna tsy minon'jareo. Vokatry zany, tsy afaka mahita ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy zareo, ze endrik'Andriamanitra.5Fa zahay tsy magnambara ny tegnanay, fa i Kristy Jesosy ôtran'ny Tompo, ary ny tegnanay ôtran'ny mpanomponareo non'ny am'Jesosy.6 Fa Andriamanitra de le reika ze nitare hoe: "Ny fahazavana hamiratra akao amin'ny haizigna." Izy namiratra tao am-ponay, mba hagnome ny fahazavan'ny falalana ny voninahitr'Andriamanitrra akeo am'fagnatrehan'i Jesosy Kristy.7Fa zahay managna an'zany harena zanyy ao agnaty tavoara tanimanga, mba hazava fa ny hery leibe mihôtra lavitra de an'Andriamanitra fa tsy an'nay. 8Ampahorena am'fomba daôly zahay, fa tsy resy. Very hevitra zahay fa tsy feno famoizam-po. 9Enjena zahay fa tsy nilôzana. Vononà zahay fa tsy rava. 10Mitondra eo am'tegnanay ny fafatesan'i Jesosy hatraigny zahay, am-ze ny fiaignan'i Jesosy iany kô de hibônga eo am'tegnanay.11Zahay ze velona de mitondra hatraigny ao am'vatanay ny fafatesan'i Jesosy, am-ze ny fiaignan'i Jesosy de hibôgna eo am'vatanay olombelona. 12No zany ny fafatesana de miasa akao amtsika, fa ny fiaignana miasa akao aminareo.13Fa zahay managna fagnahin'ny finoana mitovy araka ze vôsoratra hoe: 14"Nino za, ary de niteny za." Mino iany kô zahay, ary de niteny iany kô zahay. Fantatray fa le tokana ze manangana ny Tompo Jesosy de hanangana antsika iany kô miaraka am'Jesosy. Fantatray fa hitondra an'nay mairaka aminareo akao am'fagnatrehany Izy. 15Ny ra-daôly de ho an'nareo mba, araka ny fasoavana vôparitaka tam'ôla betsaka, no hitomboan'ny fagnomezam-pisaorana ao am'voninahitr'Andriamanitra.16No zany de tsy ho kivy zahay. Na de malemy ambelany aza zahay, de havaozina isan'andro isan'andro ny akao agnatinay. 17Fa am-zao andro mandalo zao, ny fahorena maivagna de magnomana an'nay ho am'lanjan'ny voninahitra maharitra mandrakizay ze mihôtra ny fandanjana daôly.18 Fa tsika tsy mijery ra ze hita, fa reo ra tsy hita. Reo ra re mety hitantsika de tsy maharitra, fa reo ra ze tsy hita de maharitra mandrakizay.
Chapter 5

1Fantantsika fa raha rava ny fonenana aketo ambonin'ny tany ze ipetrahantsika, de managna tragno avy amin'Andriamanitra tsika. Zany de tragno tsy nataon'ny tagnan'olombelona, fa tragno maharitra mandrakizay aigny an-dagnitra. 2Fa aketo am'ty tragno le ty ntsika no misento, magniry mafy ny hitafy ny fonenantsika aigny an-dagnitra. 3Magniry mafy an'zany tsika satria amin'ny fagnanôvantsika an'zany de tsy ho tazagna mitanjaka kô tsika.4Fa raha mbola aketo am'ty tragno lay ty tokô tsika, de misento, ary mavesatr'entana. Tsy te-hitanjaka tsika. Fa kosa te hitafy, nefa de ho atelignin'ny fiaignana ze mety maty. 5Ary le raika ze nagnomagna antsika ho am'zany ra zany indrindra de Andriamanitra, ze nagnome antsika ny Fagna mba ho fagnambarana ze ho avy.6Noho zany de matokisa hatraigny. Tongava saigna fa raha akao an-dragno amin'ny vatagna ntsika, de lavitra ny Tompo.7 Fa mande amin'ny finona ntsika, fa tsy amin'ny fahitana. 8Noho zany tsika de managna fatokisana. Aleontsika lavitry ny vatagna fa akao an-dragno miaraka amin'ny Tompo.9Ka de ataontsika tanjona izany, na aigny an-dragno tsika na lavitra, de mba hahafinaritra an'Azy. 10Fa tsika daôly de tsy maintsy hibôgna akeo alôn'ny seza fitsaran'i Kristy, mba ho valin'ny zava-bitan'reo tsiraikarika tao amin'ny vatagna, na ho amin'ny tsara zany no ho amin'ny ratsy.11Ary no zany, de ny fafataranany fatahôrana ny Tompo, no handresentsika lahatra ny ôla. Ny maha-tsika antsika de hitan'Andriamanitra mazava. Antenaiko fa mazava amin'ny feon'ny fieritreretanareo kô zany. 12Tsy miezaka ny handresy lahatra an'nareo ndrey zahay mba hizaha an'ny ôtran'ny mahitsy fo. Fa kosa, magnome antony ho an'nareo mba hirehareha nony aminay zahay, mba hanagnanareo valin-teny ho an'reo ze mirehareha amin'ny endrika avelagny fa tsy ny am'ze akao am-po.13Fa raha very saigna zahay, de ho an'Andriamanitra zany; ary raha tonga saigna tsara zahay, de ho an'nareo zany. 14Fa ny fitiavan'i Kristy no manery an'nay, satria azonay antoka; nisy ôla raika maty hamonjy ny daôly, ary no zany de maty kô izy daôly. 15Maty Izy hoan'ny daôly, mba tsy velona ho an'ny tegnan-jareo ze velona ntsony ze velona fa ho an'Azy ze maty ary natsangana nony fitiavana an'azy reo.16No zany antony zany, manomboka zao de tsy mitsara n'iza n'iza araka ny fomban'olombelona stsika, na de efa nizaha an'i Kristy ôtran'zany aza ntsika talô. Fa am'zao fotôna zao kosa ntsika de tsy mitsara n'iza n'iza ôtran'zany intsony. 17No zany, raha misy ôla akao amin'i Kristy, de olom-baovao izy.18Reo ra daôly reo de avy amin'Andriamanitra. Nampihevaniny tamin'ny tegnany amin'i Kristy ntsika, ka nameny antsika ny asa fanompoan'ny fampihavanana.19 Zany hoe: akao amin'ty Andriamanitra no mampihavana an'zao tontolo zao amin'ny tegnany, tsy magnisa ny fahadison-jareo amin-jareo. Nankigniny aminay ny hafatry ny fampihavanana.20Ka de vôtendry ho mpisolo-tegnan'i Kristy zahay, ary salan'ny hoe: amin'ny alalanay no hagnanôvan'Andriamanitra ny fagnantsovany. Mangataka an'nareo nony am'i Kristy zahay: "Mivana amin'Andriamanitra!" 21Nataony sorogna nony fahotantsika Kristy. Izy le tokana ze tsy nagnota miitsy. Nataony zany mba ho tonga famarinan'Andriamanitra akao amin'azy kô tsika.
Chapter 6

1Miara-miasa amin'azy, zahay iany kô de mampirisika an'nareo tsy handray ny fahasoavan'Andriamanitra fahatany. 2Fa nitare izy hoe: "Tamin'ny fotôna mety de nitaino an'nareo Za, ary tamin'ny andron'ny famonjena de nagnampy an'nareo Za. Jerevo, am'zao fotôna zao no fotôna mety. Jerevo, am'zao fotôna zao no andron'ny famonjena. 3Tsy mametraka vato fagnafitohinana akeo agnolôn'iza n'iza zahay, fa zahay tsy nagniry ny haharatsy laza ny asa fagnomônay.4Fa kosa, zahay de manaporofo ny tegnanay am'ny asanay daôly, fa mpanompon'Andriamanitra zahay. Zahay no mpanompony amin'ny fiaretana be, fahoriana, faharetana, fasarotana, 5reo kaôka, fanagadrana, fikomiana, amin'ny asa mafy, am'reo alina tsisy torimaso, amin'ny hanoanana, 6amin'ny fahadiovana, fahalalana, faharetana, fahatsoram-po, amin'ny Fanahy Masina, amin'ny tegna fitiavana. 7Zahay no mpanompony akao amin'ny tenin'ny fahamarinana, akao amin'ny herin'Andriamanitra. Zahay de managna ny fiarovan'ny fahamarinana ho an'ny tanana an-kavanana sy ny an-kave.8Zahay de miasa amin'ny voninatra sy amin'ny fafam-baraka, amin'ny fanaratsena sy ny fiderana. Zahay de vômpanga ho mpitarika kanefa zahay de marina. 9Zahay de miasa ôtran'regny tsisy mafantatra regny kanefa zahay de mbôla ho fanta-daza. Miasa ôtran'ny ho faty zahay - jerevo -mbôla miaigna zahay. Miasa zahay ôtran'ny sazina nohon'ny asanay nefa tsy ôtran'ny vôheloka ho faty. 10Zahay de miasa ôtran'ny malaelo, kanefa de mifaly lalandava. Zahay de miasa ôtran'ny mahantra, kanefa de mampanagn-karena ôla betsaka zahay. Miasaôtran'ny tsy managna na ino na ino zahay kanefa ôtran'ny managna ny ra daôly.11Zahay de nitare ny marina daôly taminareo, ry Korintiana, ary ny fonay de mivô midagnadagna. 12Ny fonareo de tsy nofeherinay, fa anareo no namehy reo fihetsem-ponareo manokana. 13Ary ho valiny ara-drariny - miresaka aminareo ôtran'ny amin'ny zaza za - voay hidagnadagna ny fonareo.14Aza mifamatotra am'reo tsy mpino. Fa ino ma no iraisan'ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Fa ino ma no iarahan'ny mazava amin'ny maizina? 15Ino ma no mety ho fifanarahana akeo amin'i Kristy sy Beliala? Na ino ma no tokony anjara anagnan'ny mpino raika sy amin'ny tsy mpino raika? 16Ary ino ma no fifanarahana misy akeo amin'ny tempolin'Andriamanitra sy ny sampy? Fa tsikana de tempolin'Andriamanitra velona, araka ny efa notaravign'Andriamanitra hoe: "Hitoetra akeo amin-jareo Za ary hande akeo amin-jareo. Za de ho Andriamanitr'zareo ary zareo de ho ôloko."17Noho zany, "Mivoà iala akeo amin-jareo, ary mitokana." ozy ny Tompo. "Aza mikasika ra maloto, ary Za handray an'nareo. 18Za de ho Ray ho an'nareo, ary anareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy," ozy ny Tompo Tsitoha.

Chapter 7

1Ry malalako, hatramin'ny nanagnantsika an'reo teny fikasana de aoka tsika hagndio ny tegnantsika amin'ny ra daôly ze matonga falotôna akeo amin'ny vatagna sy ny fanahintsika. Aoka tsika hikatsaka ny famasinana amin'ny fatahôrana an'Andriamanitra.2Raiso zahay! Fa tsy nagnano ratsy tam'zany izy. Tsy nandratra na nagnanbaka n'iza n'iza zahay. 3Tsy hagnameloka an'reo no hitinenako an'zao. Fa efa nolazaiko fa akao amponay nareo, fa miara-laty ary miara-belona tsika. 4Managna fatokisana be an'nareo za, ary mirearea nony aminareo. Feno fiononana za. Mihô-pampagna ny hafaleko na de akao aza ny fampahorena maro.5Rafa tonga taigny Makedonia zahay, tsisy tany niaignana ny tegnanay. No zany, tegna ory tamin'ny endrika maro zahay, no ny fifandirana taigny ivelagny sy ny tatra takao agnaty. 6Fa Andriamanitra, ze mapaery ny kivy de nampaery an'nay tamin'ny fatongavan'i Titosy. 7Tsy tamin'ny fatongavany fôgna no nampaerezan'Andriamanitra antsika. Fa tamin'ny fampaerezana ze noraisin'i Titosy avy tamin'nareo. Miteny an'tsika izy amin'ny habeazan'ny fitiavanareo, ny alaelonareo, ary ny fiahianareo anà mafy. Ka faly madrakariva za.8Na de nampalahelo an'nareo aza ny taratasiko, de tsy manengnina ntsony, na de efa nanegnina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalaelo an'nareo ny taratasiko izany. Fa nalaelo tamin'ny fotôna foika anareo. 9Am'zao fotôna zao de faly za, tsy hoe satria ory nareo, fa ny alaelonareo no nitondra an'nareo ho amin'ny fibebana. Anareo de niaigna ny fahoriana akao amin'Andriamanitra, ka tsy nisy very ny nijalenareo ho an'nay. 10Ny fahorena akao amin'Andriamanitra de mitondra amin'ny fibebana ny mba hantanteraka ny famonjena tsisy fanegnenana. Na zany aza, ny alahelon'zao tontolo sao, de mitondra fafatesana.11Zahao ny vokatry ny fikirizanareo tamin'ny fahorena tao amin'Andriamanitra. Geda tokotra ny fikirizana tao amin'nareo mba hagnaporofona fa tsy manan-tsiny anareo. Geda tokotra ny fasorenanareo ny tatranareo, ny alaelonareo, ny fotom-ponareo, ary ny fagnirinareo ahitany famasinana ze tokony atao. Amin'ny ra daôly de nagna-porofo tamin'ny tegnanareo anareo mba tsy meloka am'zany raharaha zany. 12Na de nanoratra tamin'nareo aza Za, Izaho de nanoratra ho an'reo mpagnano ratsy, na ho an'ny raika ze miharitra ny ratsy. Nanoratra za mba tokony hampafantarana ny fazotoanareo teo aminay akeo agnatrehan'Andriamanitra.13Tamin'ny alalan'zany no nampaereana an'nay. Mihôtra non'ny fampaerezana ze efa anagnanay, nihoa-pampagna ny fifalenay non'ny fifalen'i Titosy, satria ny fagnahiny de velombelona noho ny aminareo daôly. 14Raha ôtra ka nirehare taminy ny momba an'nareo za, de tsy mba afa-baraka za. Mifanotra am'zany, reo ra daôly ze noteneninay taminareo de marina avokô, ny fireharehanay momba an'nareo tamin'i Titiso de vôporofo fa marina.15Ny fitiavany an'naro de leibe koko, salan'ny natserovany ny fankatoavanareo daôly, Endrey ny fandraisanareo an'azy tamin'ny tatra sy hovita. 16Faly za satria managna fatokisana tanteraka taminareo.

Chapter 8

1Tenay ho fantatrareo, ralahy ny momban'ny fasoavan'Andriamanitra ze namena tao am'reo fengonan'i Makedonia.2 Nandritran'ny fitsapana leibe am'fahorena, ny fitobaky ny fahefana sy ny fara-fahantran'jareo de niteraka haren-deiben'ny falalan-tanana.3Satria mijoro vavolombelona za fa nagnano be araka ze vitany zareo, ary mihôtra an'ze vitany aza. Ary tamin'ny sitrapon-jareo manokana 4sy niaraka tam'fitalahona mafy no nangatan-jareo taminay ny fahafahana mba hanagna anjara am'ty asa fanompona akeo am'roe mpino ty. 5Tsy nibôgan arak'izay nantenanay zany. Fa kosa nanototra ny tegnany melô tamin'Andriamanitra zareo. Ary nanolo-tegna ho an'ny jareo tamin'ny sitrapon'Andriamanitra.6Ka namporisika an'i Titosy zahay, ze fa nanomboka an'zany asa zany, mba hagnatanteraka ny fasoavana akeo aminareo. 7Fa anareo kosa de manan-karena am'ra daôly, amin'ny finona, amin'ny teny, amin'ny falalana amin'ny fazotona daôly, ary amin'ny fitiavana an'nay. Ka ataovo azo antoka mba hanan-karena am'zany asa fahasoavana anareo. (Ny ULB sy ny UDB, miaraka am'reo dikan-teny maro hafa, de mivaky salan'zao: "Akao amin'ny fitiavanao an'nay." Ny dikan-teny hafa de mivaky ôtran'zao: "Ary akao amin'ny fitiavanay an'nareo.")8Tsy mitare an'zany salan'ny didy za. Fa kosa, mitare an'zany za amin'ny fitsapana ny fahamarinan'ny fitiavanareo amin'ny fampitahana an'zany am'zotom-pon'ny ôla hafa. 9Satria fantantrareo ny fasoavan'ny Tompon-tsiaka Jesosy Kristy. Kana nanankarena aza izy, de lasana mahantra no nareo; ka amin'ny halalan'ny fahantrana no mety hazaônareo harena.10Am'zany koragna zany de hagnome toro-hevitra an'nareo za ze hagnampy an'nareo. Herintaona lasana zay, de tsy nanomboka nagnano ra fôgna nareo, fa nagniry ny magnano an'zany. 11Am'zao vitao zany, ôtran'ny nisian'ny zotom-po sy ny fagnirina hagnano an'zany, de enga anie hagnatanteraka an'zany kô an'nareo, araka ze azonareo atao. 12Satria raha magniry mafy ny agnano an'zany asa zany anareo, de ra tsara sy azo ekena zany. Tsy maintsy mifototra am'zany hanagnan'ny ôla raika zany, fa tsy zay tsy hanagnany.13Fa zany asa zany de tsy mba hagnamaivagna ny hafa ary hagnavesatra an'nareo. Fa kosa tokony hisy ny rariny. 14Ny harenareo am'zao fotôna zao de hagnome ze hilain'jareo. Ka zany kô de mba hagnomezan'ny haren'jareo ze ilainareo. Ary mba hagnomezan'jareo ny rariny. 15Araka ze fa vôsoratra hoe: "Le raika ze fa nanagna betsaka de tsy nanagna ambiny ary le raika ze nanagna ny kely de tsy nanagna ny tsy ampy.16Fa an'Andriamanitra ny fisôrana, ze nametraka ny tao am-pon'i Titosy ny famatorana ze hanagnako aminareo. 17Fa izy tsy nagneky fôgna ny antsovintsika, fa tegna matotra ny am'zany ihany kô. Nagnatogna an'nao tam'sitrapony manokana izy.18Nalefany izy niaraka tam'le rahalà ze nideraina takeo ampovôn'ny fengonana daôly nony asan'ny ze mitory ny Filazantsara. 19Tsy zany ihany, fa izy ihany kô de notendren'reo fengonana mba hande hiaraka aminay hitondra an'zao asan'ny fahalalan-tanana zao. Zany de ho an'ny voninahitr'izy Tompo ary ho an'ny fagnirinay hagnampy.20Mitandrina zahay ny amin'ny mety hisian'ny ôla mitaraigny zahay ny amin'ny mety hisian'ny ôla mitaraigna mombanay makasika an'nio asa falala-tagnana ze ataonay io. 21Ka mila mitandrina zahay mba hagnano ny mendrika, fa tsy akeo agnatrehan'ny Tompo rerika, fa akeo alôn'ny ôla kô.22Mandefa rahalà raika hafa ihany kô zahay miaraka amin'jareo. Matetika zahay no nitsapa an'azy, ary nahita an'azy mafana fo tamin'ny asa maro. Mazoto kokô izy am'zao fotôna zo no le fatokisana leibe ze hanagnany aminareo. 23Raha ny amin'i Titosy, izy no namako sy mpiara-miasa aminà ho an'nareo. Raha ny amin'ny rahalany, de nalefan'reo fengonana zareo. Voninahitra ho an'i Kristy izy reo. 24Ka abôgna an'jareo ny fitiavanareo, ary abôgna amin'ny fengonana ny antony fireharehanay momba an'nareo.
Chapter 9

1Mikasika ny asa fanompoana ho an'ny mpino, tsy tegna ilaiko ny manoratra ho an'nareo. 2Fantatro ny momba ny fagnirinareo, ze ireharehako am'ôlon'i Makedonia. Nolazaiko an'jareo fa Akaia de efa vonona nanomboka tam'taona lasa. Ny zotom-ponareo no nanosika ny ankamarôn'jareo hiasa.3Ary nasaiko ny rahalà mba tsy ho zava-pôgna ny fireharehantsika momba an'nareo, ary mba ho vonona nareo, araka ny efa nolazaiko ho an'nareo. 4Raha tsy zany, raha misy Makedoniana maro miaraka aminà ary mahita an'nareo mbola tsy vonona, de ho menatra tsika tsy milaz na ino na ino momba an'nareo za no ny fatokiana an'nareo. 5Ka mieritreritra za fa ilaina ny mampirisika an'reo rahalà hakaigny aminao ary hagnano fifagnarahana melô ny am'fagnomezana efa nampagnantenainao. Zany de afahana mivonona ôtran'ny ra tsy azo ekena.6Ny tegna izy de ty: Ny raika ze mamafy kely de handidy kely iany kô, ary ny raika ze mamafy am'tanjom-pitahiana de hijinja fitahiana ihany kô. 7Avelao ny tsiraikaraika hagnome araka ze efa narafiny takao am-pony. Aza avela magnome fahorena na fagneriterena izy. Fa ny mpagnome am-pifalena no ten'Andriamanitra.8Ary Andriamanitra de afaka mampitombo ny fitahiana ho an'nao, mba am-ra daôly, de afaka hahazo ze ilainareo daôly mandrakariva nareo. Zany no misy de mba ahafanareo magnatombo ny asa soa an'nareo. 9Zany de araka ny vôsoratra hoe: "Nozarainy reo harenany ary nagnome an'azy regny ho an'ny mahantra. Maharitra mandrakizay ny famarinany."10Izy ze mamatsy ambeoka ho an'ny mpamboly ze mamafy sy ny mofo ho an'ny ahanina, de hamatsy sy hampitombo ny vônao iany kô ho am'famafazana. Hampitombo ny vokatry ny famarinanao izy. 11Hahazo harena am'fomba daôly enao mba hatonga an'nao ho malala-tagnana. Zany de hitondra fagnehoam-pisaorana an'Andriamanitra am'alalanay.12Ny fagnatanterana io asa fanompona io de tsy vitan'ny hoe mafeno ny ra ilain'ny mpino fotsiny iany. Mitondra iany kô zany am'asa fagnomezam-pisaorana an'Andriamanitra maro. 13Fa nony fitsapana an'nareo ze vôporofo am'io asa io, de hagnome voninahitra an'Andriamanitra kô anareo am'fankatoavana ny fibabohanareo am'filazantsaran'i Kristy. De hagnome voninahitra an'Andriamanitra kô nareo am'falalan-tagnanareo am'fagnomezana ha an'jareo sy ny ôla daôly. 14Magniry an'nao zareo, ary mivavaka ho an'nao zareo. Magnano an'zany zareo nony faleibiazan'ny fasoavan'Andriamanitra akao aminao. 15Ho an'Andriamanitra anie ny sôtra nony fagnomezany tsy hay lazaina!
Chapter 10

1Ny tegnako za Paoly, de mengavy an'nareo amin'ny fanetrentegna sy amin'ny hamoram-pagnan'i Kristy. Malemy fagna tokô za rafa akeo amin'ny fagnatrehanareo, nefa rafa tsy akeo za de sahy ny aminareo. 2Mangataka aminareo za, rafa miaraka aminareo, tsy amin'ny fatokisan-tegna ny fasahiana. Nefa mieritreritra za fa mila sahy manoitra an'reo ze mihevitra fa ntsika de miaigna araka ny nofo.3Na zany aza de mande araka ny nofo zahay, fa tsy miady araka ny nofo. 4Fa ny fiadiana ze iadianay de tsy ara-nofo. Noho zany, de managna hery avy aigny an-dagnitra mba hamotehana ny fagna ratsy. Fa tsy mitondra na ino na ino ny hevitra sy ny fitaky ry zareo.5Horavantsika kô reo ra reo ze manangana fanoherana ny fahalalana an'Andriamanitra. Fa mihevitra ny hambabo ny tsiraikarika amin'ny fankatoavana an'i Kristy tsika. 6Ary miomagna amin'ny famaizana ny fihetsika tsy fagneikena atsika daôly, raha vao tanteraka ny fagneikinareo.7Zahao mazava ze akeo agnolonareo. Fa na iza na iza resy lahatra fa Izy no Kristy, de ôka izy hatoky ny tegnany fa izy tokô no Kristy, de ho salan'zany kô ntsika. 8Iony fa na de mirehareha kely aza za momba ny fahefantsika ze namen'ny Tompo antsika mba hananganana fa tsy handravana an'nareo, mba tsy ho megnatra za.9Tsy teko ny hampitatra an'nareo amin'ny alalan'ny taratasiko. 10Fa ny ôla sasagny de nitare hoe: Matotra sy mahery ny taratasiny, nefa malemy ara-batagna izy. Ary tsy mendrika hohenoina ny teniny."11Ôka ny ôla salan'ireigny ahafantatra fa reo teny akao amin'ny taratasinay tamin'ny fatôna tsy naha takeo an'nay de mampiseho ny asa tokony ataonay rafa tonga akaigny 'zahay. 12Tsy mande lavitra izahay n ampitaha ny tegnanay am'reo ze midoka tegna. Fa mandrefy ny tegnanay amin'ny hafa zareo ary mampitaha ny tegnany amin'ny hafa, de tsy ho malina.13Na zany aza, tsika, tsy hirehareha mihôtra ny tokony ho izy. Fa kosa ataonay izany ze misy fetrany araka ny nanedren'Andriamanitra an'nay. 14Fa tsy mitandrina ny tegnanay izahay rafa tonga taigny aminareo. Zahay no tonga vôlôny takaigny aminareo niaraka tamin'ny filazantsaran'i Kristy.15Tsy nirehareha mihôtra ny sasagny ntsika momba ny asany fa nisy fetra. Antenainay anefa fa hitombo ny finonareo amin'ny asa leibe ze mandigny ny tsiraikaraika, ary samy amin'ny fetrany avy zany. 16Fa izao ho antenainay, mba afahanay mitory ny filazantsara ne de aigny amin'ny tôrana lavitra an'nareo. De tsy hirehareha momba ny asa efa vita taigny amin'ny tôran-kafa ntsika.17"Nefa ze hirehareha, ôka hirehareha akao amin'ny Tompo." 18Fa tsy le raika ze manolotra ny tegnany no eken. Fa kosa le raika ze natolotry ny Tompo.
Chapter 11

1Magniry za mbô ahafanareo mamela anà hagnano fadalana kely sasagny. Fa tegna mamela anà tokô anareo! 2Fa saro-piaro ny momba an'nareo za. Managna fahasarotam-paiaro araka an'Andriamanitra aminareo za, hatramin'ny nagnomezako toky an'nareo takao amin'ny fanambadena ho an'ny vady raika iany. Nagnome toky za ny hagnolotra annareo salan'ny virijiny madio ho an'i Kristy.3Fa matatra za sôde, salan'ny namitahan'ny menaragna an'i Eva tamin'ny alalan'ny hafetseny, ny eritreritrareo de mety hiala amin'ny fagnoloran-tegna amin-kitsi-po sy madio amin'i Kristy. 4Fa eritrereto hoe misy ôla raika tonga hitory an'i Jesosy hafa noho le raika toriantsikana. Na eritrereto hoe mandray fagnahy hafa noho ze raisinareo anareo. Na eritrereto hoe mandray filazantsara hafa noho le raika ze noraisinareo anareo. Mamela regny ra regny tsara fôgna anareo!5Satria mieritreritra za fa tsy farany ambany noho reo lazaina fa hoe Apostoly ambony. 6Fa na de tsy nizarana nandaha-teny aza za, de nizarana tamin'ny fahalalana. Tamin'ny fomba daôly sy tam'reo ra daôly de nataonay ho fantatrareo zany.7Magnota ma za tamin'ny fanetren-tegnako mbô hisandratanareo? Fa nitory ny filazantsaran'Andriamanitra maimaimpôgna ho an'nareo za. 8Nandroba reo fiangonana hafa za tamin'ny alalan'ny fanekena fanohanana avy amin-jareo mbô afahako magnompo an'nareo. 9Rafa niaraka taminareo za sy nila fagnampena, de tsy nagnavesatra n'iza n'iza. Fa reo ra nilaiko de namen'reo mpiralahy ze tonga avy takaigny Makedonia. Tamin'ny ra daôly de nitandrina ny tegnako tsy ho enta-mavesatra aminareo za, ary hanohy hagnano an'zany.10Raha akato aminà ny fahamarinan'i Kristy, de tsy hangina zany fireharehako zany aigny amin'ny faritr'i Akaia. 11Magnino? Satria tsy teko ma anareo? Andriamanitra mahalala.12Ary ny ra ataoko de mbôla ho ataoko fôgna, mbô mety afahako magnala ny fitaraignana nohon'ny fanakianana anà sy ny fitarainana noho reo ze ten-jareo hireharehana - fa zareo de hita magnano asa mitovy am'ze ataonay. 13Fa ny ôla salan'zany de apostoly sandoka sy mpiasa mamitaka. Zareo de magnano sarintsarin'ny tegnany salan'ny Apostolin'i Kristy.14Ary zany de tsy magaga, fa na ny satana aza maneho ny tegnany salan'ny anjelin'ny fahazavana. 15Tsy magaga tsony raha maneho ny tegnan-jareo salan'ny mpanompon'ny fahamarinana reo mpanompony. Ny anjaran-jareo de ze mendrika ny asan-jareo.16Taraviko ndre hoe: "Aza avela hisy hieritreritra hoe adala za. Fa raha magnano zany anareo, de raiso salan'ny adala za ka mbô hirehareha kely. 17Ze lazaiko momba ty fahatokiana mirehareha ty de tsy araka ny lazain'ny Tompo, fa miteny ôtran'ny adala za. 18F'efa betsaka ny ôla no mirehareha araka ny nofo, de hirehareha iany kô za.19Nagneky am-pifalena reo adala anareo. De hoe hendry ny tegnanareo! 20Fa mandefitra amin'ôla anareo raha manandevo an'nareo, mandany an'nareo, magnararôtra an'nareo, mandray ny tegnany ho ambony noho anareo, na raha mamely tefatsofigna an'nareo izy. 21Ho taraviko amin'ny fafam-barakanay da malemy lôtra zahay tamin'ny fagnanôvana an'zany. Raha misy mirehareha - de miresaka ôtran'ny adala za - Za iany kô de hirehareha.22Hebreo ma zareo? Za iany kô. Israelita ma zareo? Za iany kô. Taranak'i Abrahama ma zareo? Za iany kô. 23Mpagnompo an'i Kristy ma zareo? (Miresaka ôtran'ny ôla very saigna za.) Mihôtra noho zany za. Mbôla niasa mafy nihôtra noho zany aza za, taigny am-ponja matetika, tamin'ny taroka mihôtra ny fepetra, tamin'ny fiatrehana loza betsaka mahafaty.24Avy amin'ny alalan'reo Jiosy no nandraisako "Taroka efapolo latsaka raika" indimy. 25Intelo za no notarôna tamin'ny kakazo. Indray za no notoraham-bato. Intelo za no vaky sambo. Nandany ray alina sy ray andro taigny an-dranomasina za. 26Nande matetika za, tamin'ny lozan'ny ony, tamin'ny lozan'reo mpandroba, tamin'ny lozan'ny ôloko magnokana, tamin'ny lozan'reo Jeltilisa, tamin'ny loza taigny amin'ny tanàna, tamin'ny loza taigny agn'efitra, tamin'ny loza taigny an-dranomasina, tamin'ny loza avy am'reo ralahy sandoka.27Efa tamin'ny asa mafy sy ra sarotra za, tamin'ny alina tsisy torimaso, tamin'ny silaona sy hetaheta, tamin'ny fifaden-kanina matetika, tamin'ny hatseka sy fiboridanana. 28Ankôtran'ny ra hafa, misy tsindry isan'andro aminà nohon'ny fagnahiko amin'ny fiangonana daôly. 29Iza no malemy, ka tsy malemy za? Iza no manafitohina, ka tsy mirehitra za?30Raha tsy maintsy mirehareha za, de hirehareha momba ze maneho reo fahalemeko. 31Le Andriamanitra sy Rain'i Tompo Jesosy, le raika ze deraina mandrakizay, de mafantatra fa tsy mandainga za!32Taigny Damaskosy, ny governora ambanin'i Areta mpanjaka de niambina ny tanànan'i Damaskosy mbô hisambotra anà. 33Fa nampidignina tamin'ny sobika takeo amin'ny varavaran-kely raika teo amin'ny manda za, ka de nandositra ny tagnany.

Chapter 12

1Za de tsy maintsy mirearea, fa tsisy na ino na ino azo avy am'zany. Fa za de hanohy ny am'reo fahitana sy reo fagnambarana ary amin'ny Tompo. 2Mafantatra leila akao amin'i Kristy za efatram-befolo taona lasana zay - na akao amin'ny tegna na tsy tao amin'ny tegna za tsy nafantatra, fa Andriamanitra mafantatra nalaina niakatra taigny amin'ny lagnitra fahatelo.3Ary fantatro fa io leila io na akao amin'ny tegna, na ambelan'ny tegna, za tsy mafantatra fa Andriamanitra mafantatra, 4de nalaina niakatra tao amin'ny paradisa ary nareigny ra ze tegna masina lôtra amin'ny ôla ny hilaza an'azy. 5Amin'ny agnaran'ny ôla salan'zany de hirearea za. Fa amin'ny agnaran'ny tegnako de tsy hirearea za, afa-tsy ny momba an'reo falemeko.6Raha te hirearea za, de tsy ho adala za, fa te hilaza ny marina. Fa hife tegna amin'ny fireareana za mba tsy hisy n'iza n'iza hievitra anà mihôtra no ze hita aminà na regny aminà.7 Hife tegna amin'ny fireareana iany kô za no reo karazagna fireareana miaraka reo. No zany, mba tsy ho feno fireareana za de nasena tsilo ny nofoko, ny irak'i Satana hagnakorontagna anà, mba tsy hirearea lôtra za.8Intelo za no nitalao tamin'ny Tompo ny momba an'zany, mba hangalany an'zany aminà. 9Fa ozy izy taminà hoa: "Ampy ho an'nao ny fasoavako fa ny hery de tanterana akao amin'ny falemena." Aleoko mirearea kokoa ao amin'ny falemena, mba hipetran'ny herin'i Kristy akato aminà. 10No zany za de faly no i Kristy akao amin'ny falemena amin'ny fanevatevena, amin'ny korontana, amin'ny fagnenjena ary akao amin'ny fotôna sarotra za. Fa na vena na vena ny falemeko de fantanjako.11Za de lasa adala! Anareo no nanery anà am'zany, fa za de tokony noderainareo. Fa za de tsy ambany no reo ze antsovina hoe apostoly ambony reo miintsy, na de tsinontsinona aza za. 12Reo famantarana marina ny maha Apostoly de natao teo am'nareo teo amin'ny faretana tanteraka famantarana sy fagagana ary asa maery. 13Fa nagnino nareo no tsy de manan-danja no reo fengonana sasagny, za nefa tsy namaky tratra an'nareo? Mamelà anà no zany fadisoana zany!14Ty za vognona ho tonga fagnitelony aigny aminareo. Tsy ho antokareo za, fa za de tsy mila ze anagnanareo anareo no ilaiko. Fa tsy ny zanaka no tokony hitady ho an'zanakao. 15Fa za de faly tanteraka handany ny ho lanina hasoany fanahianareo. Raha mitia be an'nareo za de kely ny fitiavanareo anà.16Fa na de ôtran'zany aza de tsy namaky tratra an'nareo. Fa satria za fetsy be, de azoko tamin'ny fomba akolaka anareo. 17Nga ma nagnararôtra an'nareo tamin'ny alalan'ôla ze nalefako taminareo za? 18Nagniraka nalady an'i Titosy ho aigny aminareo za, ary nalefako niaraka taminazy reo rahalà sasagny. Nga ma nagnararôtra an'nareo i Titosy? Nga ma tsy miray lalana tsika? Nga ma tsy niray dia tsika?19Nga ma nieritreritra anareo fa nandritra an'zany fotôna daôly zany de niaro ny tegnanay taminareo zahay? Aketo agnatrehan'Andriamanitra no itaravanay tao amin'i Kristy ny ra daôly mba ho fampaerezana an'nareo.20Fa matatra za sao de rafa tonga za de mety tsy haita an'nareo araka ny fagnantenako. Matatra za sao de mety hisy fifandirana, fialonana, firehetan'ny fatezerana, fikasana amin'ny fitiavan-tegna, fifosana, fieboebona, fikorontagnana. 21Matatra za sao de rafa miverigna anà akao agnatrenareo ny Andriamanitro. Matatra za sao de alahelo ny am'reo ze nanota teo alô, ka mbola tsy nibebaka tamin'ny folotaona sy ny fijangajangana ary ny fijejofejôna feno fagnirian-dratsy ze nataon-jareo.
Chapter 13

1Fagnintelony zao no nandalôvako taty aminareo. "Ny fempangana daôly de tsy maintsy miorigna amin'ny porofo amin'ny vavolombelona roey na telo." 2Efa nitare tam'reo ze nagnota za talô sy tam'reo ambiny daôly rafa takeo fanindrôny, ary lazaiko ndre zany: "Rafa tonga ndre za, de tsy hiantra an-jareo za."3Mikoragna an'nareo an'zany za satria anareo de mikaraka porofo fa i Kristy de miteny amin'ny alalako. Tsy marefo aminareo Izy. Fa kosa, mahery akao aminareo Izy. 4Fa Izy nombohana amin'ny falemena, nefa velogna tamin'ny herin'Andriamanitra. Fa tsika kosa de marefo akao amin'Azy, kanefa tsika de miara-miaigna amin'ny herin'Andriamanitra akeo agnivonareo.5Dinio ny tegnanareo raha tenareo ho hita fa akao amin'ny finoana anareo. Tsapao ny tegnanareo. Tsy mbola azonareo an-tsaigna ma zany momba ny amin'ny tegnanareo fa i Jesosy Kristy de akao aminareo? Raha ôtra anareo ka tsy nahomby tamin'ny fitsapana. 6Ary za matoky fa anareo de hagneky fa tsika de nahomby am'zany.7Am'zao fotôna zao tsika de mivavaka amin'Andriamanitra fa tsy afaka ny hagnano ra ratsy anareo. Za de tsy mivavaka ny afaka ahitana fa tsika de nahomby amin'ny fitsapana. Fa kosa, za de nivavaka ny mbô afahanareo magnano ze mety kanefa tsika de mety ho hita ho ôtran'ny tsy nahomby tamin'ny fitsapana. 8Fa tsika de tsy afaka ny hagnano ra magnohitra amin'ny famarinana, fa ho an'ny famarinana rerika fôgna.9Fa tsika de mifaly rafa marefo ary mafy anareo. Fa tsika fôgna kô de mivavaka mbô ho ataontsika feno anareo. 10Magnoratra an'reto ra reto za raha magnalavitra an'nareo za, ka rafa miaraka aminareo za de tsy vôtery mitondra an'nareo am-pasosena amin'ny fampesana ny faefako - ze namen'ny Tompo anà - mbô ananganako an'nareo ary tsy hanimba an'nareo.11Faragny, ry ralà, mifalia! Miasà ho amin'ny fameregnana amin'ny lôny, maereza, mifaneke ny tsyraikaraika, miaignà am-pedanana, ary ny Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana de hiaraka aminareo. 12Mifampiarabà anareo amin'ny fagnorohana Masina.13Reo mpino daôly de magnano veloma an'nareo. [Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny de magnambatra ny andininy faha 13 amin'ny andininy faha 14 ho andininy faha 13.] 14Enga anie ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy, ny fitiavan'Andriamanitra, sy ny fiarahana amin'ny Fanahy Masina ho akao aminareo daôly.

Galatians

Chapter 1

1Paoly Apôstôly_ tsy Apôstôly avy amin'ny ôla na tamin'ny ôla, fa avy amimin'i Jesôsy Kristy sy le Andremagnitra ray, ze nanangana an'Azy tamin'ny maty_2 ary reo ralà daôly niaraka aminà, ho an'ireo Fiangonan'ny Galatiana:3Fahasoavana ho aminareo ary fedanana avy amin'Andre,agnita Raintsika sy Jesôsy Kristy Tompo, 4ze magnolotra ny tegnany ho an'ny fahotantsika mba hagnafahany an'tsika amizao andron'ny faharatsiana zao, ho 5Azy ane ny voninatra mandrakizay doria. Amena.6Gaga za ho niala faigana tamin'le niantso anareo tamin'ny faasoavan'i Kristy anareo. Gaga za fa nitodika ho amin'ny Filazantsara hafa anareo. 7Tsy midika akôry zany fa misy Filazantsara hafa fa misy ôla maomaro ze mitôndra fikorontagnana ho an'nareo ary te hagnova ny Filazantsaran' i Kristy.8Fa na zahay na anjely avy agny an-dagnitra aza no hitory Filazantsara hafa aminareo no ze notorinay taminareo, de ôka izy ho ovoaozogna.9 Araka ze nolazainay talôha, de amin'izao za manambara ndre hoe: "Ra misy ôla magnambara aminarei Filazantsara hafa noho ze niraisinareo, de ôka izy ho vôozogna". 10Mo ve za zao lmiakaraka ny fagnamarinan'ny ôla sa Andremagnitra? Mo ve za mikaraka ze hampifaly ny ôla? Ra mbôla manoy miezaka ampifaly ôla za, de tsy mpa,ompon'i Kristy.11Fa teko ho fantatrareo, ry ralaiko; fa ny Filazantsara ze ,nambarako se tsy Filazantsarna'Ölombela. 12Tsy mandray an'izany tamin'ôla za, na nampenarina anà zany. Fa zany de Fagnambaran'i Kristy Jesôsy taminà.13Fa anareo naregny ny amin'ny fiaignako talô tamin'ny tamin'ny fomba fivavahana Jiosy, sy ny bagninjeko ny Fiangonan'Andemagnitra miôtra n tokony ho izy ary ny fikezako handroba an'izany.14 Nandroso tamin'ny fivavahana Jiosy za miôtra ny maro tam'reo mitovy taona taminà, avy tamin'ireo raika firenena taminà. Sahala amizany ny fômba nitanako mafy ireo fomban-drazako.15Kanefa Andremagnitra, ze nanokana anà hatrigny an-kibon-dreniko, ary niantso anà tamin'ny alalan'ny fahsoavany. 16Rafa faly ny hampibôgna ny zanagny laila tamina, mba afaka magnambara Anazy aigny amin'ny Jentilisa, se tsy nak saigna tamin'ny nofo sy ny rà avy hatraigny za. 17Tsy niakatra taigny Jerosalema ho aigny ami'reo efa lasana Apostoly talôko za. Fa kosa, nande taogny Arabia ary avy akeo niveigna taigny Damaskôsy za.18Ry telo tgaona tafara de niakatra taigny Jerosalema mba hifankafantatra tamin'ny Kefasy za avy nojanona niaraka taminazy naandritra ny dimy abefolo andro.19 Fa tsisy tazako reo Apostoly ankôtran'i Jakoba, le ralain'ny Tompo. 20 Ary akao am'ze soratako ho an'nareo , de magnome toky an'nareo za akeo agnatrhan' Andremagnitra , fa tsy mandainga za.21Avy takeo za de nande taigny amin'ny faritr'i Syria sy Kilikia. 22Tsy mbôla fantatra takeo am'reoFiangonan'i Jodia ze akao ami' Kristy.23 Regnin-jareo fôgna ze vôlazako hoe: " Le leila ze nangnenika an'tsika talôha izao de magnambara le magnambara le finoana ze nezany nopotena talô".24 No izany zareo de nidera an Andemagnitra noho ny aminà.
Chapter 2

1Efatra ambefolo taona taty afara de niakatra nakeny Jerosalema indraika za niaraka tamin'ny Barnabasy, de nitondra an'i Titosy niaraka tamina.2 Nikatra akeny nony fanambaragna raika za ary nametraka teo amin'jareo ny filazantsara ze toriko akeo amin'jareo Jentilisa. Niresaka tamin'jareo nitôkana zay noeverina ho manandanja za, mba hazahôgna antoka fa tsy niazakazaka na efa niazakazaka very maigna za.3Fa na Titosy aza, ze niaraka taminà no sady Grika, de notera ho voafora.4 Niditra nangingina reo rala sandoka nitsikilo ny fahafahana anananay ao amin'ny Kristy Jesosy. Naniry ny hagnadevo anay zareo,5 fa tsy nety nagnaiky azy re nade fotoana kely aza zany, mba hitoeran'ny fahamarignan'ny filazantsara aminareo6a reo ze noevitra ho manandanja, (na ino na ino izy reo de tsy mampagninona ana Andriamanitra de tsy miangatra)_ lazaiko reo ze hevitra mandanja de tsy nanampy ninoninona tamina. 7 Mifanoitra amin'zany, itan'jareo fa fanakianana ny filazantsara hoan'dreo ze tsy voafara za, takany nanakianana an'i Petera ny filazantsara hoan'dreo ze voafora, 8Fa Andriamanitra, ze niasa teo amin'ny Petera ho aminy maha-postoly ho an'dreo ze voafora, de niasa tato amina iany kô hoan'dreo Jentilisa.9I Jakoba, Kefasy, ary Jaona, fantatra fa anisan'dreo ze nanorigna fiangonana, rafa nafantatra ny fahasoavana izay nomena ana, de nagnome tagnana akavanan'ny fiombognana ho ana sy Barnabasy izy reo. Nataon'dreo ze nagnafahana anà mankaigny amin'ny Jentilisa, ary mbô hafan'jareo mankaigny amin'reo ze foafora. 10Nangtaka foagna zareo mbô hahatsiaro ny mahantra zahay, ze zavatra tegna teko atao tokôtra.11Fa rafa tonga taigny Antiokia i Kefasy, de nanotra anazy teo amin'ny tavany za satria vôlaza fa diso izy. 12Talôan'ny natongavan'ireo leila sasagny avy aigny amin'i Jakoba , de teo am-pihinanana niaraka tamin'reo leilà reo,de nanangana izy, ary niataka alavitra an'reo Jentilisa. Natatra reo ka nitaky famorana izy13Ny ambiny tamin'reo Jiosy kô de nitambatra tamin'zany fiatsarambelatsihy zany. Na i Barnabasy aza de voavily niaraka tamin'jareo tamin'ny fiatsaram-bealatsihy. 14Fa rafa tazako fa tsy magnaraka ny fahamarinan'ny Filazantsara ny fitôndran-tegnan-jareo, de nitare tamin'i Kefasy teo agnolôn'izy daôly za hoe: "Ra Jiosy anaokanefa miaigna ôtran'ny Jentilisa fa tsy ôtran'ny Jiosy, aôna no afanao manery re Jentilisa hhiaigna ôtran'ny Jiiosy?"15Tsika de Jiosy tamin'ny alalan'ny faaterana fa tsy mpanota Jentilisa. 16Haintsika anefa fa tsisy ôla hamarinin'ny asan'ny lalàna fa amin'ny alalan'ny finôna an'i Kristy Jesôsy. Tsika iany kô de tônga tgamin'ny finôna an'i Kristy Jesôsy mbô hnamarinina amin'ny finôna an'i Kristy fa tsy amin'ny asan'ny lalàna. Fa tsisy nofo hamarinina amin'ny asan'ny lalàna.17Fa ra to ka, mitady hamarinina akao amin'i Kristy tsika, tsika iany kô, de hita fa mpanota, moa mamporisika ny fahotana ma Kristy? Tsia avy hatraigny.18 Fa ra managna ndre, reo efa noravako talô za, de magnaporofo ny tegnako ho mpandika lalàna zà.19 Fa tamin'ny lalàna no nahatesako tamin'ny lalàna, mbô ho velogna ho an'Andreamagnitra za.20Nomboigna niaraka tamin'i Kristy zà, Tsy zà tsony no velogna, fa Kristy no velona ato agnatiko. Ny faignana iaignako, akao amin'ny nofo de iaignako amin'ny finôna ny Zanak'Andremagnitra, Ze té anà ka nagnome ny tegnany ho anà. 21Tsy magnilika ny fahasoavan'Andremagnitra za, fa ra azo amin'ny lalàna ny fahamarignana, de tsisy dikany ny nahafatesan'i Kristy.
Chapter 3

1Ry Galatiana adala! Iza no nagnosavy anareo? Takeo amasonareo indridra no nampisehona an'i Jesosy Kristy vôhombo.2 Zao ihany no ra teko ianarana aminareo: Nandray Fagnahy tamin'ny asan'ny lalàna se tamin'ny finona ze regninareo anaeo? 3Adala, tokô ma nareo? Nanomboka, tamin'ny Fagnahy anareo, de hifaragna amin'ny nofo ma ankehitriny?4Mo niharitra zavatra betsaka tamin'ny tsisy dikany ma nareo_ fa ra tegna zava-poana tokô ary izany? 5Mo ma izy ze magnome ny Fagnahy an'nareo sy magnana asa magaga akeo aminareo de magnano izany amin'ny asan'ny lalàna, sa amin'ny fiainòna amin'ny fignona?6Otran'i Abrahama "nino an'Andriamanitra ary nisaigna ho fahamarinan'izany," 7de ôtran'izany, fa reo ze amin'ny fignona de Zanak'i Abrahama.8 Ny soratra Masina, nahita melô fa Andriamanitra hagnamarina ireo Jentilisa amin'ny fignona, de nitory ny filazantsara melô tamin'i Abrahama, niteny hoe: "Avy aminao no hitaina ny Firenena dahôly."9 Ka, reo ze amin'ny fignona de vôtahy miaraka amin'i Abrahama, le ôlan'ny fignona.10Reo ze miankina amin'ny asan'ny lalàna de akeo ambanin'ny ozogna; fa voasoratra hoe: "Vôozogna ze daôly tsy magneky ny ra daôly vôdika akao agnatin'ny bokin'ny lalàna, sy magnano iregny."11 Ankehitrigny de mazava fa tsisy ôla hamarinina akeo hanatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny lalàna, satria ny marina de ho velona amin'ny fignona. 12Fa ny lalàna de tsy arka ny fignona, fa kosa, "Ny ôla ze magnano ny asan'ny lalàna de tsy maintsy velona, amin'ireo."13Kristy nagnavotra antsika tamin'ny ozogny lalàna tamin'ny nahatongavany ho ozagna ho antsika fa vôsoratra hoe: "Vôozina ze daôly miantogna amin'ny kakazo"14 mbo ho tonga amin'ny Jentilisa ny fitahin'i Abrahama akao amin'i Kristy Jesosy, mba ho amin'ny fignona no azaôntsika le fampanantenana ny fagnahy.15Ry ralà, avelao za hiteny araka ny fanaon'ny ôla. Akao amin'ny fifagnarana ataon'ny ôla, tsisy afaka magnafôgna na magnampy ze akao, rafa tafapetraky ny lalàna izany.16 Ary reo fampagnantenàna de nolazaina tamin'i Abrahama sy tamin'ireo taragnany. Tsy milaza hoe: "ho an'ny taranaka," manondro ôla betsaka, fa kosa ôla raika ihany, "ho an'ny taranakao," de i Kristy.17Ary zao no teko lazaina: "Ny lalàna,ze tonga telo-pola sy efa-jato taona taty hafara, de tsy hahafogna ny fanekena ze efa napetrak'Andriamanitra mialô. 18Fa tsy avy amin'ny lalàna ny lova, de tsy avy amin'ny fampanantenana intsony izany. Fa Andriamanitra nagnome an'izany an'i Abrahama tamin'ny halalan'ny fampanantenana.19o,ary, ny tanjon'ny lalàna? Nasena anizany noho ireo fandikan-dalàna, mandra-pahatongan'ny taranak'i abrahama, akeo amize nagnanaovana ny fampanantenana. Ny lalàna, de nataon'ny mpanalalana raika ho manan-kery tamin'ny alalan'ny anjely.20 Fa ny mpanalalana de midika ôla miôtra ny raika, kanefa Andriamanitra de raika.21Mo ve ny lalàna manotra reo fampanantenan'Andriamanitra? Sagnatre izany, fa ra nisy lalàna namena ze afaka magnome fiaignana, de avy tamin'ny lalàna tokô ny fahamarinana. 22Fa ny Soratra Masina nagnagadra ny ra daôly ambanin'ny fahotana. Nagnano an'izany Andriamanitra mbo hagnomezany ho an'ireo mino ny fampanantenana ny hagnavota antsika, amin'ny halalan'ny fignona an'i Jesosy.23Ary talôn'ny natongavan'ny fignona, antsika de nitanana ho babo takao, amban'ny lalàna, nogadraina mandra-pisehoan'ny fignona.24 Koa avekeo ny lalàna de lasa mpiambina antsika mandra-piavin'ny Kristy, mba ho vômarina amin'ny fignona atsika.25 Fa zao de tonga zany fignona zany, ka tsy akeo ambanin'ny mpiambina intsony atsika.26 Fa anareo daôly, de zanak'Andriamanitra, akao amin'ny fignona an'i Kristy Jesosy.27Fa betsaka taminjareo ze natao Batisa takao amin'ny Kristy no nandray an'i Kristy.28 Ary tsisy intsony na Jiosy na Grika, na andevo, na ôlon-kafa, na leila na vevavy, fa raika ihany anareo, akao amin'ny Kristy.29 Ka ra an'i Kristy anareo, de taranak'i Abrahama, sy mpandova araka ny fampanantenana anareo
Chapter 4

1Milaza zà fa ny mpandova, ra mbôla zaza izy, de tsisy hafa amin'ny andevo, tmpon'ny ra daôly aza,2Kanefa izy de akeo amabany fiadidin-jareo mpiambina sy zareo mpitahiry ra_ Sarobidy mandra-pahatongan'ny daty ze napetraky ny rainy.3Ka toy izany iany kô, fony sika mbôla zaza, de nandevozon'ireo lalàna fitsipi-pianaran'zao tontolo zao.4Fa rafa tonga ny fotôna, de nandefa ny zagnany Andremagnitra, ze natera-bevavy, nateraka takeo ambanin'ny lalàna.5Nagnano an'izany Izy mba hagnavotany reo ze ambanin'ny lalàna, mbô hafantarantsika nadray ny fananganana ho zanaka.6Ary satre zanaka anareo,de nasain'Andremagnitra ny Fanahn'ny Zanany, ze magnantso hoe: " Aba, Ray ô!" 7No zany tsy andevo tsony an'nao, fa zanaka, ary ra zanaka, de mpandova amin'ny alalan'Andremagnitra iany kô an'nao.8Fa tam'zany fotôna zany, fony nareo tsy nahalala an'Andremagnitra, de natao ho andevonjareo ze, amin'ny hery vôjanahary, de tsy andremagnitra velively. 9Fa amzao fotôna zao anareo de lasa nahay an' Andremagnitra na kô hoe: hain'Andremagintra nareo ka ino ny heveranareo amin'ny abidim-pianarana malemy no sady tsisy dikany? Te ho andevozinandre ma na?10Mandinika reo andro sy reo volana ary ireo vnanim-potôna sy reo taona nareo! 11Matatra ny aminreo zà fa sô de ho zava-pôgna ny asako taketo aminareo.12Mengavy an'nareo za, ry ralà, magnanova karanà. Satre za iany kô de efa lasana ôtran'nareo tsy nagnano ratsy taminà nareo.13Kanefa hainareo fa non'ny areti-batako no nanambarako an'nareo ny Filazantsara tamin'ny vôlôny.14Na de nitondra an'nareo tamin'ny fakam-panahy aza ny toe-batako, de tsy nagnano tsinontsino na ngnilika anà nareo. Fa noraisinareo salan'ny hoe: Anjelin'Anremagntra kosa zà, salan'ny hoe zà mintsy no Kristy Jesôsy.15Akaiza, noizany, ny fahasoavanareo amin'zao fotôna zao? Fa mijoro vavolombelogna aminareo za fa, ra azonareo atao de, nalanareo ny masonareo ary namenareo anà zany.16Ka no izany, efa lasa faavalonareo ma zà satremikoragna aminareo ny marina?17Zareo reo de mazoto ny hitôna an'nareo, fa tsy amin'ny tsara. Te hagnidy an'nareo aigny ambelany zareo, mbô hanagnanareo zotom-po ho an'zareo.18Tsara foagna ny manana zotom-po amin'ny tanjona mendrika.19Ry anako, mbôla mijaly amin'ny fanaintainan'ny fiterahagna ho an'nareo ndre za mandra-piforon'i Krsity akao aminareo.20 Maniry za mba ho afaka miaraka aminareo am'zao fotôna zao ary hagnôva ny fomba firesako, satria magnahiran-tsaina anà ny aminareo.21Taravo aminà, nareo ze magniry ny ho eo ambanin'ny lalàna, ka tsy mankatò ny lalàna ve nareo? 22Satria voasoratra fa i Abrahama de nanan-janaka leila rôy, fa ny raika avy tamin'ny andevo ary ny raika avy amin'ny veivavy miaina malalaka.23 Fa ny raika nateraky ny andevo veiavy araka ny nofo, fa le raika hafa d nateraky ny veivavy tamin'ny teny fampanantegnana.24Reo zavatra reo de azo ho sahala ny fagnoarana, satria reo veivavy reo de manambara fanekena rôy. NY raika aminjareo de avy amin'ny tanetin'i Sinay ary niteraka zaza e andvo izy. Izy io de Hagara.25 Ary i Hagara de maneo ny tanetin'i Sinay any Arabia; ary maneo an'i Jerosalema am'zao fotôna zao satria nandevozina niaraka tamin'jareo zagnany izy.26Fa i Jerosalema ze aigny agnambo de afaka, ary izy no renintsika, 27satria voasôratra hoe: "Mifalia, ianao ry momba zay tsy miteraka. magnantsonantsôva mafy ary magnanôva kikam-pifalena,28Fa nareo, ry ralà, ôtran'i Isaka, de zanaky ny Fampagnantegnana.29 Tam'zany fotôna zany le ôla teraka arak ny nofo de nanenjika ze teraka araka ny Fanahy. Sala am'zany iany ami'zao fotôna zao.30Kanefa ino no koragnin'ny Soratra Masina? " Alefao akaigny ny andevo vaiavy mbamin'ny zagnany leila. Fa ny zanakalain'ny andevo vaiavy tsy hizara lova miaraka amin'ny zanaka lain'ny vaiavy miaigna malalaka."31 No izany ry raalà, tsy zanaky ny andevo vaiavy tsika, fa zanaky ny vaiavy miaina amin-kalalahana.
Chapter 5

1Ho amin'ny fahafana no nagnafahan'i antsika. Miorena tsara, noho izany, aza mety ho akao aman'ny zogan'ny fagnandevozana ndre.2 Indro, za, Paoly, miresaka aminareo fa ra mamela ny tegnanareo ho forana anareo, de tsy hasô anareo amin'ny fômba dahôly Kristy.3Mijoro vavolombelon amin'ny ôla tsiraikaraika ze mamela ny tengany ho voafora ndre za fa vôtery hagnaraka ny lalàna dahôly izy.4 Tafasaraka tamin'i Kristy, nareo, zay te hagnarinina amin'ny lalàna; ary tsy miaigna fahasoavana intsony anareo.5Fa amin'ny halalan'ny Fagnahy, amin'ny finona, no hiandrasantsika fatratra ny fanatenaana ny fahamarinana.6 Akao amin'i Kristy Jesosy de tsy midika na ino no ino na voafora na tsy voafora, fa ny fignona miasa amin'ny fitiavana ihany. 7Fa nihazakazaka tsara anareo. Iza no nisakana anareo amin'ny fankatoavana ny marina?8Zany fandresen-dahatra zany de tsy avy aminy le anareo.9Lalivay kitika no mampitombo ny koba dahôly.10Fa matoka ny Tompo za fa tsy handray fomba fijery hafa nareo no hagnefa ny sazy, na iza iza na iza.11Ry rala, ra mbôla mitory ny amin'ny famorana za, nagnino za no mbôla enjena? Amin'izany de ho afaka tokô ny fahatafintonan'ny hazo fijaliana.12Fa ho anireo ze manakorontana anareo enganie ka hanapaka ny tegnany izy reo!13Fa nantsovina ho amin'ny fahafahana nareo, ry rala. Nefa aza ampiasaina ho irika amin'ny filan'ny nofo ny fahafahanareo; fa kosa, amin'ny alalan'ny fitiavana de mifanompoa.14Fa ny lalàna daôly de tanateraka akao amin'ny didy raika; akao amin'ny hoe: "Tsy maintsy mite ny namanao ôtrany tegnanao anao."15Fa ra mifagnekitra sy mifampihinana nareo, de mitandrema sô hifandringana.16Fa hoy za, mandehana araka ny Fagnahy de tsy hatanteraka izay filan'ny nofo nareo.17Fa manohitra ny Fagnahy ny filan'ny nofo ny fanirian'ny Fagnahy. Fa mifanohitra ireo, mba tsy hafantaranareo magnano ze ra tenareo.18Fa ra tarihin'ny Fagnahy nareo de tsy ho ambanin'ny lalàna.19Ankehitriny de miharihary filan'ny nofo: fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoan,20fanompoan-tsampy, famosaviana, fankahalana, fifandirana,fahasarotam-piaro, fipoahan'ny fahatezerena, fifandrafiana, fisaraham-bazana, fizarazarana,21fialonana, fahamamoana, fanakorontanana, ary ny ra sahala amin'zany. Mampitandrina anareo za, tahaka ny efa nampitandrina anareo za, tahaka ny efa nampitandremako anareo taloha, fa tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra reo zay mampihatra reo ra reo.22Fa ny vokatry ny Fagnahy de fitiavana, fifaliana,fiadanana, faharetana, hatsarampagnahy,fanaovantsoa, finoana,23 fahalemem-panahy, ary fahafehezan-tena; tsy misy lalàna manohitra ra ôtran'zany.24Reo zay an'i Kristy Jesosy de efa nanombo ny toetra feno fahotany niaraka tamin'ny fahafinaretany sy ny filany.25Ra miaigna amin'ny Fagnahy tsika, aoka handeha amin'ny Fagnahy ihany kô.26Aoka tsika tsy ho lasa mpieboebo, mifandrangitra,ary mifampialona.
Chapter 6

1Ry raalà, ra misy ôla azon'ny ota,anareo ze ara-pagnà no tokony amerigna anazy ndre aminn'ny faamoram-pagnà. Mivera ny tegnanao, mba tsy ho alaim-pagnà kô an'nao.2 Mifampitondrà ny mavestra, ary amin'izany de tantirao ny lalàni Kristy.3Fa ra misy ôla mihevitra ny tegnany ho ra tsisy dikany, de mamitaka ny tegnany izy. 4 Tokony handinika ny asany avy ny tsiraikaraika, mba ho an'ny tegnany iany no hireharehany fa tsy amin'ny ôla afa.5 Fa say hitondra ny entany avy ny ôla tsiraikaraika.6Ny ôla ze nampenarina ny teny tsy maintsy mizara ny ra tsara daôly am'ze mampianatra.7 Aza mety ho fitahana. Tsy azo vazivazena Andemagnitra, fa ze daôly ambolen'ny ôla, no dideny kô. Ho an'ze mamboly vô amin'ny toetrany feno faotana, de avy ami'zany no handideny fahasimbana.8 Ze mambôly vô amin'ny Fanahy, amin'ny Fananhy no handideny ny fiainana mandrakizay.9Öka tsika mba tsy ho reraka amin'ny fagnanôvan-tso, fa handidy vokatra tsara amin'ny fotôna mety , ra tsy milavo lefogna isika.10 Kô no izany, satre magnana fahafahana tsika, de ôka hagnano ny tsara amin'ny ôla daôly, ndrindra fa amin'ny fenaaven'ny finôna.11Jereo ny agedan'ny soratra ze nosoratan'ny tagnako ho an'nareo.12 Reo ze te hiseho ho tsara amin'ny nofo no miezaka magnery an'nareo mba ho forana. Magnano an'zany zareo mbô hialana amin'ny fahendrena noho ny amin'ny Hazo fijalian'i Kristy. 13Na reo ze tsy vôfora aza de tsy mitandrina ny lalàna, nefa ten'jareo hoforana anareo mba irearean'jareo amin'ny nofonareo.14Nefa tsy hirehareha na ovena na ovena afa-tsy ny amin'ny hazo fijalian'i Kristy Tompontsika ane za, ze nanomboana an'zao tontolo zao takeo aminà, ary za kosa takeo amin'zao tontolo zao.15 Fa ny famorana na ny tsy famorana de samy tsisy dikany, fa ny fiagnam-baovao no misy antony.16 Ho an'reo daôly se miaigna araka zany fomba zany, de ho an'jareo ane ny fedanana sy ny faindram-po, na amin'ny Israeli' Andremagnitra aza.17Manomboka zao de ôka tsisy agnadala anà, fa itondra reo marik'i Jesôsy akeo amin'ny vatako 18za. Ho amin'ny Fanahinareo ane ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsika, ry raalà. Amena.

Ephesians

Chapter 1

1Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy araka ny sitrapon'Andriamanitra, ho an'reo ôlo-masin'Andriamanitra aigny Efesosy, ze matoky akao am' Kristy Jesosy. 2[Fagnamarina: Misy fandikan-teny sasagny magnala ny hoe: "Akao Efesosy" saingy mety akao amin'ny taratasin'i Paoly vôlôny zany.] Ho aminareo anie ny fasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.3Deraina anie ny Andriamanitra Rain'i Jesosy Kristy Tompotsika, ze nitahy antsika tao amin'i Kristy tamin'ny fitahiam-panahy daôly avy aigny an-dagnitra akao alin'i Kristy. 4Andriamanitra nifidy antsika takao amin'Azy hatramin'ny fentombôn'zao tontolo zao mbô ho masina sy tsy manan-tsigny akao agnatreny tsikana.5Andriamanitra de nisafidy antsika melô ho amin'ny fananganana ho zanaka tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy araka ny sitrapony. 6Ny fananganana antsika de mitondra amin'ny fiderana ny fasoavana be voninatra ze nameny antsikana maimaim-pôgna takao am'le raika ze tieny.7Akao amin'i Kristy Jesosy de nahazo fagnavotana amin'ny rany sy ny famelankeloka tsikana, araka ny harem-pasoavany. 8Natsangany tamintsikana tamin'ny fahendrena sy halalana daôly zany fasoavana zany.9Nataon'Andriamanitra fantatra tamitsika ny zava-miafin'ny sitrapony, araka ze tieny sy ze nasehony takao amin'i Kristy, 10niaraka tamin'ny fandaharana raika amin'ny fafenon'ny fotôna, hagnangonana ny ra daôly, aty an-tany sy aigny an-dagnitra, ho lôha raika, na Kristy aza.11Akao amin'i Kristy de vôtendry ho mpandova tsikana. Nofidina melô araka ny fandaharanle mampiasa ny ra daôly araka ny tanjon'ny sitrapony tsikana. 12Andriamanitra nanendry antsika ho mpandova mbô ho tsika no managna fatokisana vôlôny akao amin'i Kristy, mbô ho fiderana ny voninahiny tsikana.13Takao amin'i Kristy, anareo kô, rafa naregny ny tenin'ny famarinana, de ny filazantsaran'ny famonjena an'nareo, de nino an'Azy anareo ary vôtomboka tamle Fanahy Masina nampanantenaina, 14ze azo antoka ho an'ny lovan-tsika mandrapazahôtsika tanteraka an'zany, ho fiderana ny voninahiny.15Noho zany antony zany, hatamin'ny narignesako ny finoanareo ny Tompo Jesosy ary ny fitiavanareo reo ôlo-masiny daôly, 16de tsy mitsatra ny misaotra an'Andriamanitra za ny aminareo ary tsarôvako am-bavaka anareo.17Mivavaka za mbô ny Andriamanitr'i Jesosy hagnome an'nareo ny fanahin'ny fahendrena sy fagnambarana amin'ny falalana an'Azy. 18Mivavaka za mbô hagnazavany ny mason'ny fonareo, mbô afantaranareo ny toky ze nagnantsovany an'nareo sy ny haren'ny voninahitry ny lova akeo am'reo ôlo-masin'Andriamanitra daôly.19Akao amin'ny fivavako de mangataka za mbô afantaranareo ny fihoaran'ny hagedan'ny heriny akao amintsikana ze mino, araka ny fiasan'ny heriny gedabe. 20Zany hery zany no nampiasain'Andriamanitra takao amin'i Kristy rafa natsangany tamin'ny maty Izy ary napetragny takeo an-tagnany ankavanana taigny an-dagnitra. 21Kristy de napetragny ho ambonin'ny lalàna sy ny faefana ary ny hery sy fitsarana, ary ny agnarana daôly ze misy. Hanapaka Kristy, tsy ho am'zao vanim-potôna zao fôgna, fa ho amin'ny vanim-potôna ho avy kô.22Napetrak'Andriamanitra ho akao ambanin'ny tongotr'i Kristy ny ra daôly ary natolony ho lôhan'ny ra daôly akao amin'ny fiangonana Izy. 23Ny fiangonana no vatagny, le fafenôn'le mameno ny ra daôly amin'ny endrigny daôly.
Chapter 2

1Ary ny momba an'nareo, de maty takao agnatin'ny fadisonareo sy ny fahotanareo nareo. 2Takao am-regny fahadisona regny no niaignanareo talô araka ny fomban-zao tontolo zao. Niaigna araka ny mpanapaka reo fahefana aigny amin'ny rivotra anareo, le fagnan-ze miasa akao am-reo zanaky ny tsy fagnekena. 3Niaigna takeo am-regny ôla regny avokoa tsika talô, nagnatanteraka reo filan-dratsin'ny nofontsika, ary nagnatanteraka ny fagnirian'ny nofo sy ny saigna. Efa voahary ho zanaky ny fahasosena, salan'ny zanak'olombelona sisa tsika.4Saingy manan-karena famindram-po Andriamanitra no le fitiavany gedabe ze nitiavany antsika. 5Tamintsika mbola maty takao agnatin'ny fadisoana, de novelominy niaraka tamin'i Kristy, tamin'ny fasoavana no namonjena an'nareo. 6Niara-natsangan'Andriamanitra tsika, ary niara-napetragny takao an-dagnitra akao amin'ny Kristy Jesosy, 7mba afany mampibôgna antsika amin'ny vanim-potôgna ho avy hagedan'ny haren'ny fasoavany ze tsy azo refesina abôgna amin'ny hatsaram-pagnany amintsika akao amin'i Kristy Jesosy.8Fa tamin'ny fasoavana no namonjena an'nareo tamin'ny alalan'ny finona, ary tsy avy aminareo izany, fa fagnomezan'Andriamanitra. 9Tsy avy amin'ny asa ny fasoavana mba tsisy hieboebo. 10Fa asan'Andriamanitra tsika, noforonina takao amin'i Kristy Jesosy mba hagnano asa ze fandaharan'Andriamanitra efa ela ho antsika, mba handehanantsika akao am-reo.11No 'zany tadidio fa Jentilisa takao amin'ny nofo nareo talô. Nareo de antsovina hoe "tsy vôfora" akeo am-reo ze antsovina hoe "vôfora" akao amin'ny nofo natôn'ny tagnan'olombelona. 12Satria mbola tafasaraka tamin'ny Kristy nareo tam-zany fotôgna zany. Mpivahiny nareo takeo amin'ny vahôkan'ny Israely. Ary vahiny tamin'ny faneken'ny fampagnantenana anareo. Tsy mbola nagnana fagnantenana ny amin'ny ho avy nareo. Tsy niaraka tamin'Andriamanitra anareo teto am-zao tontolo zao.13Fa am-zao fotôgna zao akao amin'i Kristy Jesosy nareo ze lavitra an'Andriamanitra talô de nampanakekeziny tamin'ny ràn'i Kristy. 14Satria Izy no fevanantsika. Izy no natonga ny ro ho raika. Tamin'ny nofony no nandrodagnany ny rindrign'ny fanoherana ze nampizaraza antsika. 15'Zany hoe, nofoagnany ny lalàn'ny didy sy ny fitsipika mba hagnaovany olom-baovao raika akao amin'Azy, sy mba hagnanôvany fampevanana. 16Kristy de mampihavana ny vahôka ro tonta ho vatagna raika amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny hazofijaliana, ka mamono ny fanoherana.17Fa tonga Jesosy ary nitory fihavanana ho an'nareo ze lavitra ary fihavanana ho an'reo ze akaiky. 18Fa amin'ny alalan'i Jesosy no hanagnantsika ro tonta fifandraisana amin'ny Fagna raika mankaigny amin'ny Ray.19No 'zany, tsy vahiny sy mpivahiny fogna anareo Jentilisa zao. Fa vô maika aza mpiray firenena miaraka am-reo ze olo-masin'Andriamanitra. 20Efa naorina takeo amin'ny fototra fagnorenan-reo apostoly sy reo mpaminagny nareo, ary Kristy Jesosy miintsy no vato fehizoro. 21Akao Aminy no hikambanan'ny fagnorenana daôly ary hitomboany salan'ny tempoly akao amin'ny Tompo. 22Akao Aminy iany no hagnanganana anareo miaraka ho fitoerana ho an'Andriamanitra akao amin'ny Fagna.
Chapter 3

1No 'zany, za Paoly, de gadran'i Kristy Jesosy ho an'nareo Jentilisa. 2Atôko fa nareigny ny fitantanana ny fasoavan'Andriamanitra ze namena anà ho an'nareo anareo.3Manoratra araka ny fagnambarana nampafantarina anà zà. Zany no marina misitrika momba an'ze nosoratako foihy taminareo. 4Rafa mamaky an'izany anareo, de ho afaka ny hafantatra ny fomba fazaôko an'izany marina misitrika momba an'i Kristy zany. 5Tam-reo taranaka hafa de tsy natao fantatry ny zanak'olombelona zany marina izany. Fa am-zao kosa zany de nambara tamin'ny alalan'ny Fagna tam-reo Apostôly sy reo mpaminagniny ze vôtokagna ho am-ty asa ty.6Zany marigna misitrika zany de milaza fa reo Jentilisa de mpiara-mandova, sy mpiara-miombona amin'ny vatagna, ary mizara ny fampanantegnana akao amin'i Krisy Jesosy amin'ny alalan'ny filazantsaran-jareo. 7Fa lasa mpanompon-zany filazantsara zany zà tamin'ny fasoavan'Andriamanitra namena anà tamin'ny alalan'ny fiasan'ny heriny.8Namen'Andriamanitra anà zany fagnomezana zany, na de zà aza no farany kely indrindra am-reo ôlo-masin'Andriamanitra. Zany fagnomezana zany de ny mba hitoriko am-reo Jentilisa ny filazantsaran'ny haren'i Kristy saro-tadiavina. 9Ny fagnomezam-pasoavan'Andriamanitra ho anà de ny hitondrako fagnazana amin'ôla daôly ny fandaharan'Andriamanitra. Io fandaharana io de nasitrikan'Andriamanitra, le nahary ny ra daôly, nandritra ny taona maro talô.10Nampafantarina tamin'ny fengonana zany fandaharana zany mba hatonga an'ireo mpanapaka sy reo manam-pahefana aigny an-dagnitra hahalala ny toetra maron'ny fahendren'Andriamanitra. 11Nitranga araka ny fandaharana mandrakizay ze notanteràny takao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika zany.12Fa akao amin'i Kristy no anagnantsika fasahina sy lalana am-patokina no ny finontsika an'Azy. 13No zany mengavy an'nareo zà mba tsy ho kivy no ny fijaliko ho an'nareo, ze voninahitrareo.14No 'zany de mendohalika akeo agnatrehan'ny Ray zà, 15ze nagnome agnarana ny fianakavena daôly aigny an-dagnitra sy aketo an-tany. 16Mivavaka zà mba hagnomezany an'nareo, araka ny haren'ny voninahiny, mba hatanjaka amin-kery amin'ny alalan'ny Fagnahy Masina, ze akao aminareo.17Mivavaka zà mba hipetraka akao am-ponareo amin'ny finona an'i Kristy, mba hifototra sy hiorina akao amin'ny fitiavany anareo. 18Hahazo hery ane nareo ka ho afa-matakatra, miaraka am-reo mpino daôly, ny sakany, ny alavany, ny ahambony, ary ny alaligny, 19ary mba halala ny fitiavan'i Kristy, ze mba mihôtra ny falalagna daôly, ka mba ho fenon'ny fafenoan'Andriamanitra daôly nareo.20Ary ho an'Azy ze mavita magnano mihôtra ze daôly angatantsika na eritreretintsika, araka ny hery ze miasa akao agnatintsika, 21ho an'Azy ny voninahitra akao amin'ny fengonana ary akao amin'i Krity Jesosy hatramin'ny taranaka daôly mandrakizay doria. Amena.
Chapter 4

1No zany, zà, amin'ny maha gadra ho an'ny Tompo anà, de mandrisika an'nareo mba hande am-pamendrena amin'ny kaika ze nagnantsovana an'nareo.2Mamporisika an'nareo za mba hanana fagnetren-tegna leibe sy fatsorana ary faretana, mifandefitra amin'ny fitiavana. 3Magnôva ze faran'ny herinareo mba hitehirizana ny firaisan'ny Fagnahy amin'ny fatoran'ny fihevanana.4Raika iany ny vatagna ary raika iany kô ny Fagna, ôtran'ny nagnantsovana an'nareo takao amin'ny fanantenan'ny fagnantsovana an'nareo raika fôgna kô. 5Ary raika iany ny Tompo, raika ny finona , raika ny batisa 6ary raika fôgna Andriamanitra sy Rain'ny daôly, ze agnambon'ny ra daôly ary amin'ny alalan'ny ra daôly sy akao amin'ny ra daôly.7Tsika tsiraikaraika avy de namena fasoavana araka ny hagedan'ny fanomezan'i Kristy. 8Araka ny koragnin'ny Soratra Masina izany hoe: "Rafa niakatra tagnambo Izy, de nitondra reo babo ho amin'ny fababôgna,ary nanolotra fagnomezana ho an'ny vahôka Izy.9Ino no hevitry ny hoe: "Niakatra Izy," ra tsy hoe nidigna takaigny amin'ny faritra ambanin'ny tany fôgna kô Izy? 10Izy le nidigna iany le ôla niakatra agnambo taigny an-dagnitra, mba afany mameno ny ra daôly.11Kristy de nanolotra ny sasagny ho apostoly, ny sasagny ho mpaminagny, ny sasagny ho evanjelistra, ary ny sasagny pasitera sy mpampiagnatra. 12Nagnome reo asa reo Izy mba hanampiana reo vahôkany masina ho amin'ny asa fanompôgna, amin'ny fananganana ny vatan'i Kristy. 13Manohy manorina ny vatagny Izy mandra-patratra antsika daôly ny firaisam-pinôna sy ny fahafantarana ny Zanak'Andriamanitra, ary mba hatônga antsika ho matotra ka mba hahatratra ny hagedan'ny fafenon'i Kristy.14Manorina antsika Kristy mba tsy ho salan'ny zaza ze atopatopan'ny onja tsony tsika, ary ho ndesin'ny rivotry ny fampegnarana sy ny hafetsen-reo ôla amin'ny tetika feno fitaka. 15Fa tsika kosa, amin'ny filazana ny fahamarinana amin'ny fitiavagna, de tokony hitombo amin'ny fomba daôly akao amin'Izy ze loha , zany hoe, Kristy. 16Kristy de managana ny tegna daôly, ary nakambana sy natambatra tamin'ny isan-tonony zany,ary rafa miasa miaraka reo, de mahatlnga ny vatagna hitombo mba hampiorigna ny tegnany amin'ny fitiavana.17No zany, de milaza sy manindry mafy zany akao amin'ny Tompo za, mba tsy hiaigna ôtran'ny Jentilisa tsony nareo, amin'ny fahafoanan'ny fisainan-jareo reo. 18Mizigna ny fahalalan-jareo, tafasaraka amin'ny fiainan'Andriamanitra non'ny tsy fahafantarana akao amin-jareo, non'ny hamafisampon-jareo. 19Tsy malala megnatra zareo ary nagnolotra ny tegnan-jareo ho amin'ny filan'ny nofo, ary manohy magnano zao karazam-pahalotôgna daôly zao.20Fa salan-zany ny fomba nenaranareo ny momban'i Kristy. 21Inoko fa nareigny ny momba an'Azy nareo, ary nampenarina takao amin'azy, satria ny famarinana de akao amin'i Jesôsy. 22Nampenarina anareo mba hagnary ny fomba fiaignanareo talô, mba hagnary ny toetra talô. Le toetra talô ze simba non'ny fitaky ny filany.23Nampenarina nareo mba hiavao akao amin'ny fagnan'ny saignareo, 24ary hitafy le olom-bôvao ze noharina araka ny bikan'Andrimanitra_ akao amin'ny tegna famarinana sy famasinana.25No zany, elao ny lainga, ary ôka ny tsiraikaraika aminareo ifampilaza ny marigna amin'ny namany, satria samy isan'ny rantsan'ny daôly tsika. 26Mitezera fa aza manota. Aza avela ho tratran'ny masoandro mody ny hatezeranao. 27Aza magnome hirika ho an'ny devoly.28Ze nangalatra de tsy tokony hangalatra tsony. Tsy maintsy miasa izy, magnano asa tsara amin'ny tagnany, mba hagnanany ra ho zaraigna ho an'reo akao agnatin'ny tsy fahampegna. 29Aza avela hisy teny maloto hivôka avy amin'ny vavanareo. Mampesà teny ze ilaigna amin'ny fanoregnana ny hafa, araka ze ilain-jareo, mba tegna hanampy reo ze mandreigny anareo ny teninareo. 30Ary aza mampalaelo ny Fagnahy Masin'Andriamanitra, fa avy Aminy no nanôvagna tombo-kase an'nareo ho amin'ny andron'ny fagnavotana.31Elao ny lolom-po daôly, haromontana, ny hatezerana, ny fifamalina, ary ny fifampitenenan-dratsy, miaraka am-reo karazan'asa ratsy daôly. 32Magnàna falemem-pagna amin'ny tsiraikaraika avy, fahatsoram-po, mifamelà heloka, ôtran'ny namelan'Andriamanitra anareo takao amin'i Kristy.
Chapter 5

1No zany ôka mba ho mpaka taka an'Andriamanitra, ôtrany zanaka malala. 2Ary mandagna amin'ny fitiavagna, araka ny nitiavan'i Kristy antsika iany kô sy nagnomezany ny tegnany ho antsika, fagnatitra manim-pôfona sy sorona ho an'Andriamanitra.3Fa tsy tokony hisy na de resaka fijangajangana na karazagna falotôgna na tsy fahononan-tegna aza akeo aminareo, fa tsy mendrika ny olo-masin'Andriamanitra reo. 4Ôka tsisy mamôfady, resaka adaladala, ary hanihany tafaôtra, fa tsy mendrika ny daôly reo. Fa kosa tokony hisy fankasitragna.5Fa afaka mahazo antoka ny am-zao nareo, fa tsisy mpijangajanga, maloto, na ny mpierigna - zany hoe, mpanompo sampy - magnana lova akao amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra. 6Ôko tsisy hamitaka anareo amin'ny teny fôgna, satria nony reo ra reo de tonga amin'ny zanaky ny tsy fankatoavagna ny hatezeran'Andriamanitra. 7No zany, aza mikambana am-jareo.8Fa maizigna nareo talô, fa zao nareo de fazavagna akao amin'ny Tompo. Mandagna ôtrany zanaky ny mazava, 9(fa ny vokatry ny fahazavagna de akao amin'ny fahatsarana daôly, fahitsina, sy famarignana.) 10Ary tedavo ze mafinaritra ny Tompo. 11Aza mikambana am-reo asa tsy mamokatra ny haizigna, fa ampiseo kosa reo. 12Fa mamegnatra na de ny manognona reo ra atôn-jareo akagny amin'ny miafigna aza.13Fa rafa hazavain'ny fazavana ny ra raika, de lasa mitranga. 14Fa ny ra daôly ze mitranga de fazavagna. No zany de vôlaza hoe: "Mifoaza, enao matory, ary mitsangana amin'ny plasin'ny maty, de hamiratra aminao Kristy."15Mitandrema amin'ny fomba fiaignanao tsy ôtrany tsy hendry fa ôtrany hendry. 16Ararôty ny fotogna satria zao andro zao de ratsy. 17No zany, aza medaladala, fa takaro hoe: Ino ny sitrapôn'ny Tompo.18Ary aza magnano mamon'ny divay, fa mitondra akeigny amin'ny fasimban-toetra izeigny. Fa kosa, ôka ho fenon'ny Fagna Masina, 19mifampiresa aminareo samy nareo amin'ny salamo sy fihirana ary hiram-pagna, mihirà ary mikaloa amin'ny Tompo amin'ny fonareo daôly. 20Misaora mandrakariva amin'ny ra daôly, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika ho an'Andriamanitra le Ray, 21mifanolora tegna amim-pagnajana ho an'i Kristy.22Ry vevavy, magneke ny vadinareo, ôtrany amin'ny Tompo. 23Fa ny leila no lôn'ny vavy ôtrany Kristy kô lôn'ny fengonana, ary Kristy tegnany no mpamonjy. 24Fa ôtrany ny haneken'ny fegnonana an'i Kristy, de ôtrany zany kô no tôkony haneken'ny vevavy ny vadiny amin'ny ra daôly.25Ry lehilà, tiavo ny vadinareo, ôtrany ny nitiavan'i Kristy ny fengonana sy nagnomezany azy ny ainy. 26Nagnolotra ny tegnany ho an'ny fengonana Kristy mba afany magnamasigna an'azy, tamin'ny fanadiovagna an'azy tamin'ny rano fagnasana amin'ny teny, 27mba afany mampiseo an'azy ho be voninaitra akeo aminy, tsy misy pentigna na kentrogna na ra ôtrany zany, fa masina sady tsisy diso.28Ôtrany zany iany kô ny leila de tôkony ho te ny vadin-jareo avy ôtrany tegnan-jareo. Izy ze te ny vadiny de te ny tegnany iany kô. 29Tsy mbola nisy nakahala ny tegnany, fa mamagna sy mikarakara zany tsara, ôtrany an'i Kristy mamagna ny fegonana sy mikarakara an'azy iany kô, 30satria isika de ratsam-batany.31No zany antony zany ny leila de hiala ny ray sy ny reniny ka hikambagna amin'ny vadiny, ary izy roa ho tonga nofo raika iany. 32Lehibe zany famarignana misitrika zany fa Za de miresaka momban'i Kristy sy ny fengonana. 33Kanefa ny tsitokatokagna aminareo iany kô de tokony ho te ny vadiny avy ôtrany ny tegnany, ary ny vevavy de ôtrany hanaja ny vadiny.
Chapter 6

1Ry zanaka, magnikesa ny ray sy reninareo akao amin'ny Tompo, satria mety zany. 2"Hajao ny rainao sy ny reninao" (zany no didy vôlôny misy fampanantenana), 3mbô hahita soa anao ary mbô ho lava andro iaignana aketo ambonin'ny tany.4Anareo ray, aza mitondra ny zanakareo ho amin'ny fasosorana. Fa kosa, tazao amin'ny fitsipika sy reo fampenaran'ny Tompo zareo.5Ry mpanompo, mankatoava ny tomponareo ety an-tany amin'ny fagnajana sy fangitakitana, amin'ny fatsoran'ny fonareo. 6Magnikesa an'jareo salan'ny agnikesanareo an'i Kristy. Magnikesa tsy akeo amason'ny tomponareo fôgna mbô hankasitran'jareo. Fa kosa, magnikesa salan'ny mpagnompon'i Kristy, ze magnano ny sitrak'Andriamanitra amin'ny fonareo manontolo. 7Magnompô amin'ny fonareo manontolo, salan'ny hoe magnompo ny Tompo anareo fa tsy ôla, 8satria fantatsika fa na ino na ino asa tsara ataon'ny ôla tsiraikaraika, de handray valim-pitia avy amin'ny Tompo izy, na andevo na ôlon'afaka.9Anareo Tompo, magnanôva salan'ny reo ra reo kô amin'ny mpanomponareo. Aza mpampihorohoro an'jareo. Fantatrareo fa Izt ze sady Tomponareo no Tompon'jareo de aigny an-dagnitra, ary tsisy fingarana akao amin'Azy'10Farany, mahereza akao amin'ny Tompo sy amin'ny tanjaky ny heriny. 11Itafio ny fiadian'Andriamanitra daôly, mbô ahafanao mitsangana manohitra ny tetiky ny devoly.12Fa ny adintsika de tsy magnohitra ny nofo sy rà. Fa kosa, magnohitra ny fanjakana sy ny faefana ara-panahy sy reo mpanapaky ny fahamaizignan-dratsy, magnohitra an'reo fanahy ratsy aigny amin'ny fitoeran-dagnitra. 13Noho zany itafio ny fiadian'Andriamanitra daôly, mbô ahafahanareo mitsangana am'zao andron'ny ratsy zao, ary rafa vitanareo ny ra daôly, de hahatohitra anareo.14Mitsangàna, noho zany, rafa avy nagnano ny fekibon'ny fahamarinana sy ny fiarôvan-tratran'ny fahitsiana anareo. 15Ary salan'ny kiraro ho an'ny tongotrareo, de hapetaho ny fahavognonana hitory ny filazantsaran'ny fihavanana. 16Amin'ny ra daôly de raiso ny ampigan'ny finoana, ze ahafanareo manohitra reo zana-tsipika miretr'afon'le ratsy.17Ary raiso ny aro-lôhan'ny famonjena sy ny sabatry ny Fanahy, ze tenin'Andriamanitra. 18Amin'ny vavaka sy ny fangatahana daôly, de mivavaha amin'ny Fanahy amin'ny fotôna daôly. Am'zany fomba fisainana zany, de miambesa hatraigny amin'ny faharetana daôly, rafa manolotra vavaka ho an'reo ôlo-masin'Andriamanitra anareo.19Ary mivavaha ho anà, mbô hisy hafatra amena anà rafa magnokatra ny vavako za. Mivavaha mbô afahako mampafantatra amin'ny fasahiana, ny famarinana misitrika momba ny filazantsara. 20Ho an'ny filazantsara no maha ambasadôro vôfatotra amin'ny gadra anà, mbô ahafako magnambara an'zany am-pasahina, raha tsy maintsy hitare za.21Tykiko, le rahalà malala sy mpanompo matoky akao amin'ny Tompo, no hampafantatra an'nareo ny ra daôly, mbô afantaranareo ze ataoko. 22Nirahiko taminareo izy noho io tanjona io ndrindraka, mbô afantaranareo reo ra momba an'nay, ary mbô afahanay mampahery ny fonareo.23Fiadanana ho amin'reo rahalà, ary ny fitiavana miaraka amin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy ny Tompo Jesosy Kristy. 24Ny fahasoavana anie ho am'ze daôly te an'i Jesosy Kristy Tompotsika amin'ny fitiavana tsy maty mandrakizay.

Philippians

Chapter 1

1Paoly sy Timoty mpanompnon'Jesosy Kristy, ho an'jareo daôly vôtokana ho an'i Jesosy Kristy ze aigny Filipy, miaraka amin'reo mpiandraikitra sy reo dekôna. 2Ho aminareo ane ny fasoavana sy fedanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.3Misaotra ny Andriamanitro za amin'ny fatserovako anareo. 4Ao amin'ny fivavako ho anareo daôly, de amin'ny fifalena hatraigny no agnanôvako ny fivavako.5 Magnome fisaorana za non'ny amin'ny fiombonanareo amin'ny filazantsara nanomboka tamin'ny andro vôlôny ka hatram'zao. 6Matoky an'zao ra zao za, fa Izy ze nanomboka asa tsara taminareo de hanoy sy hagnatanteraka zany hatram'ny andron'i Jesosy Kristy.7Fa tsara amina ny matsapa salan'zany, ny amin'ny momba anareo daôly satria akato am-poko anareo. Anareo daôly de mpiara-miasa tamina tamin'ny fasoavana na tamin'ny figadrako sy tamin'ny farôvako na kô tamin'ny fagnamafisana ny filazantsara.8 Fa Andriamanitra no vavolombeloko, fa manigna anareo lôtra za amin'ny famidram-pon'i Kristy Jesosy.9Ary za mivavaka an'zao: mba hitombo hatraigny hatraigny ny fitiavanareo amin'ny falalana sy ny fazavan-tsaigna rehetra.10 Mivavaka ho an'izany za mba hagneky ze tsara de tsara anareo, mba ho tso-po sy tsisy tsigny amin'ny andron'i Kristy.11 Mivavaka za mba ho fenon'ny vokatry ny famarinana ze avy amin'i Jesosy Kristy anareo, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.12Ary teko ho fantatrareo, ry ralà, fa reo ra ze nitranga tamina de niasa ho amin'ny fampandrosona ny filazantsara tokôtra.13 Vokatr'zany, ny fatorako akao amin'i Kristy de niariary mazava nagnerana 'reo mpiambin'ny lapa manontolo sy 'reo ô'la hafa.14 Ny ankamarôn'reo ralà de managna toky gedabe kokoa akao amin'ny Tompo nony fatorakao, ary sahy magnambara tsy amin-tahotra ny tenin'jareo.15Ny sasagny aza de mitory an'i Kristy amin'ny fialonana sy fifandirana tokôtra, ary reo hafa kosa amin'ny sitrapo tsara.16 'Reto farany de magnano zany amin'ny fitiavana, mafantatra fa za napetraka aketo ho fiarovana ny filazantsara. 17Fa ireto vôlôny de mitory an'i Kristy amin'ny fitiavan-tegna, fa tsy tso-po. Izy iregny de mihevitra fa hagnakorontana ana raha mbôla akao amin'ny fifatorako za.18Ino ary? Amin'ny fomba rehetra, na fihatsaram-belatsy na amin'ny famarinana,Kristy no torina, ary mifaly ny amin'izany za. Iôny, ho faly 19za, fa fantatro fa zany de hiafara amin'ny fanafahana ana amin'ny alalan'reo vavakareo sy ny fagnam-pen'ny Fagnan'i Jesosy Kristy.20Zany de araky ny fiandrasako fatratra sy ny antoka fa za de tsy ho megnatra miintsy, ary mbôla amin'ny fasahina rehetra ihany, am'zao fotôna zao ôtran'ny hatrizay, de hisandratra akato amin'ny tegnako Kristy, na amin'ny fiaignana na amin'ny fafatesana.21 Ho ana ny hoe: miaigna de Kristy ary ny hoe: maty de tombony.22Fa raha miaigna amin'ny nofo za, de midika asa mavokatra ho ana zany. Kanefa ino no ho fidiko? Tsy haiko. 23Fa vôtery mafy akeo agnelagnelan'izy rôy za. Ny fagniriko de ny hande ary hiaraka amin'i Kristy, ze tsara lavitra, 24kanefa ny mipetraka akao amin'ny nofo de ilaina kokoa nony anareo.25Resy latra ny amin'zany za,de fantatro fa hitoetra sy hanoy hiaraka aminareo daôly za, ho an'ny fandrosonareo sy fifalena akao amin'ny finona.26Mba ho akao aminà de hanagna antony irerehana akao amin'i Kristy Jesosy anareo rafa miverigna akaigny aminareo ndre za. 27Mitondrà tegna amin'ny fomba mendrika sy filazantsaran'i Kristy, ka na tonga hitazagna anareo za na tsy akeo, de afaka ny hareigny momba an'nareo, amin'ny saigna raika miara-miezaka ho an'ny finona ny filazantsara.28Ary aza mety ampitahôrin'ireo ze fahavalonareo. Mariky ny fapoten'jareo zany, fa mariky ny famonjena anareo kosa ary zany de avy amin'Andriamanitra.29Fa namena anareo zany, ho an'i Kristy, tsy hoe: mba hinona an'Azy fôgna, fa hifalena ho an'Azy kô,30fa anareo de managna ady mitovy amin'ze itanareo taminà, ary ze reigninao aminà amin'zao fotôna zao .
Chapter 2

1Raha misy famperezana akao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavany, raha misy firaisana ao amin'ny Fagna, raha misy famindram-po gedabe sy fentrana,2 de ataovo feno ny fifaliko amin'ny firaisana ôtran'zany, amin'ny fanagnana fitiavana mitovy, amin'ny firaisana am-pagna, ary amin'ny fananganana tanjona mitovy.3Aza magnano n'ino n'ino amin'ny fitiavan-tegna na fanandratan-tegna fôgna. Fa amin'ny fanetren-tegna kosa de mevera ny hafa mandombolombo ny tegnanareo.4 Tokony tsy itady ze masoa ny tegnanareo iany ny kô.5Mevera ôtran'ny firaisana ze takao amin'i Kristy Jesosy iany kô. 6Efa nisy ôtran'ny endrik'Andriamanitra izy, fa tsy nievitra izany ho fitovina amin'Andriamanitra zany ho ra hifikirana Izy. 7Ny mifanoitra amin'zany, nofoanany ny tegnany. Naka ny endriky ny mpanompo Izy. Ary nibôgna ôtran'ny olombelona Izy. Ary ita nitovy tamin'olombelona Izy. 8Nagnetry tegna Izy ary tonga mpankatoa hatramin'ny fahafatesana,de le fahafatesan'ny hazofijaliana!9Non'zany de nasandratr'Andriamanitra agnambo de agnambo iany kô Izy. Nameny le Agnarana ze ambonin'ny agnarana rehetra Izy. 10Nataony zany mba ho amin'ny Anaran'i Jesosy no andoalen'ny loalika rehetra, ny loalik'reo ze aigny an-dagnitra sy aketo an-tany ary aigny ambanin'ny tany. 11Nataony zany agneken'ny lela daôly fa i Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr'Andriamanitra Ray.12Non'zany, ry malalako, ôtran'ny ankatoavanareo hatraigny, tsy eo amin'ny fagnatrehako iany fa mihôtra lavitra aza fa amin'zao fotôna zao rafa tsy akeo za, de abôgna amin'ny taotra sy hovitra ny famonjena anareo. 13Satria Andriamanitra no miasa akao aminareo mba ho vonon-kagnano no sady hiasa ho an'ny fifaliny anareo.14Ataovy tsy am-pitaraignana na fiadin-kevitra ny ra rehetra. 15Magnaova salan'zany mba ho tonga zanak'Andriamanitra tsisy tsigny sady marina, tsisy kilema anareo. Miasà salan'zany mba hamirapiratanareo ôtran'ny fahazavana eo amin'zao tontolo zao, akeo ampovôn'ny taranaka meloka sady maditra. 16Mifikira mafy amin'le Tenin'ny fiaignana mba hananako antony hireharehàna amin'ny andron'i Kristy. Fa amin'zany de ho fantatro fa tsy very maigna ny niazakazako ary tsy very maigba ny niasàko.17Fa na de aidigna ho fagnatitra akeo amin'ny soragna sy fanompoam-pinona aza za, de mifaly za, ary miara-mifaly aminareo daôly za. 18Ary ôtran'zany kô no hifalenareo, ary miara-mifaly aminà anareo.19Fa magnantegna akao amin'i Tompo Jesosy za fa handefa an'i Timoty aigny aminareo faingana, mga hahery iany kô za rafa haiko ny ra momba anareo. 20Fa tsy managna ôla hafa mitovy toe-tsaigna amin'azy za, ze tegna manahy ny aminareo. 21Fa izy daôly de mikaraka ny tombon-tsony, fa tsy ny zavatr'i Jesosy Kristy22Fa fantatrareo ny famendreny, satria ôtran'ny zaza manompo ny rainy, no nanompony niaraka tamina takao amin'ny filazantsara. 23Koa magnantegna ny handefa an'zy za raha vô hitako hoe magnano akôry ny fanden-draha aty aminà. 24Fa matoky ny Tompo za fa ho avy aigny faingana kô ny tegnako.25Fa meritreritra za fa ilaina iany kô ny mampiverigna an'i Epafrodito ainy aminareo. Ralako izy sy mpiara-miasa no mpiara-miady, sady mpitondra ny hafatrareo izy no mpanompo amin'ze ilaiko. 26Fa tra-pahorena mafy izy, ary manigna ny hiaraka taminareo daôly izy, satria reigninareo fa narary izy. 27Fa tegna narary izy ka efa seiky maty. Fa mamindra fo tamin'azy Andriamanitra, ary tsy tamin'azy rerika, fa taminà kô, mba tsy hanagnako alahelo ambonin'ny alahelo.28Kô de amim-parisiana gedabe daôly no handefasako an'azy, ka rafa hahita an'azy ndre anareo de mba hifaly ka de ho afaka kokoa amin'ny fanahiko za. 29Raiso akao amin'ny Tompo Epafrodito miaraka amin'ny fifalina rehetra. Hajao ny ôla ôtra an'azy. 30Fa ho an'ny asan'i Kristy no nanakaikezany ny fafatesana. Fa nagnano vy very ny aignany izy hanompoana ana mba hagnatanterany ze tsy afaka nataonareo tamin'ny fanompona taminà.
Chapter 3

1Farany, ry rala, mifale ao amin'ny Tompo . Tsy manairana ana ny mamerigna manoratra regny ra regny ho an'nareo. Regny ra regny de de hiaro an'nareo.2 Mitandrema am'reo amboa. Mitandrema am'reo mpagnano ratsy. Mitandrema am'reo fanapahana ratsam-batagna.3 Fa tsika no vofora. Ary tsika no manompo amin'ny fanahin'Andriamanitra. Ary tsika no mirearea akao amin'i Krsisty Jesôsy, ary tsy mitoky amin'ny nofo.4Na de zany aza, za tegnako de afaka mitoky amin'ny nofo. Ra misy ôla mihevitra fa izy de managna fitokisana amin'ny nofo, afaka managna mihôtra noho zany za, 5noforaina tamin'ny andro fahavalo za,teraka takao amin'ny vahôkan'i Israely,takao amin'ny fokon'i Benjamina, Hebreo takao am'reo Hebreo za, araka ny lalàna de Fariseo za.6Tamin'ny zotom-po, de nagnenjika ny fiangonana za, Raha ny amin'ny fahamarinana ambanin'ny lalàna de tsy manan-tsigny za. 7Fa n'ino n'ino tombony ho ana, de noraisiko ho sahala amin'ny fatiantoka regny nohony amin'i Kristy.8Raha ny tegna izy, nataoko ho fatiantoka avokoa reo zavatra daôly reo no ny haleiben'ny falalana an'i Kristy Jesôsy Tompo. Noho Izy de nareko ny ra daôly. Heveriko ho fako regny mbô hazaôko an'i Kristy.9 Ary ho tazagna akao amin'Azy za. Tsy managna ny fahamarinana ho an'ny tegnako avy amin'ny lalàna za, Fa kosa manangna ny fahamarinana ze tamin'ny alalan'ny finôna an'i Kristy za, fahamarinana avy amin'Andriamanitra ze miorina amin'ny finona.10 Ka am'zao fotôna zao de te hafantatra an"Azy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana am'reo fijaleny za. Te hiova amin'ny alalan'i Kristy za mba hitovy ny fahafatesany,11 mbô hafako mahatsapa ny fitsanganana amin'ny maty.12Tsy marina fa efa nandray reo ra reo sahady za, na hoe tonga tanteraka za. Fa miezaka za mba handrombaka le nandromban'i Kristy Jesôsy ana.13 Ry rahalà, ty mieritreritra za fa ny tegnako de efa nandrombaka an'zany. fa misy ra raika : Tsy tadidiko ze aigny afara ary miezaka an'ze akeo alô za. 14Miezaka magnatratra ny tanjona zà mba haazo ny lokan'ny antso avy aigny agnambo avy amin'Andriamanitra akao amin'i Kristy Jesôsy.15Tsika daôly ze matotra, ôka tsika hisaigna ôtran'zany ary raha misy eritreritrareo hafa momba ny ra daôly de ho hapoitran'Andriamanitra aminareo iany kô zany.16Kanefa, n'ino n'ino efa takatritsika, ôka tsika hifikitra am'zany.17Öka ho mpaka taka ana, nareo ry rala. Dinio ankeky reo ze mande araka ny ôtran'ze tazagnareo akao aminay. 18Betsaka reo mande, reo ze efa notaraviko anareo matetika, ary am'zao fotôna zao, za milaza aminareo amin-dranomaso_ ôtran'ny fahavalon'ny hazofijalen'i Kristy. 19Fandringanana no fiafaran-jareo. Fa ny kibony no andriamanitra Tompoiny, ary ny firearean-jareo de akao amin'ny famenarany, meritreritra ny zavatr'zao tontolo zao zareo.20Fa aigny an-danitra ny fanjakantsika, ze handignesantsika Mpamonjy iany kô, de ny Tompo Jesôsy Kristy. 21Izy de hagnova ny tegnantsika ze marefo mba ho vatagna mitovy amin'ny tegnany rakotry ny voninahitra,ze natao tamin'ny herin'ny fahefany mbô hampagneky ny ra daôly amin'ny tegnany.
Chapter 4

1Noho zany, ry ralà malalako ze mahamanigna anà, fifaliko sy satro-boninatro, am'zany de mijoro tsara akao amin'ny Tompo, ry namako malala.2Mengavy an'i Eodia za, ary mengavy an'i Syntyke, miraisa saigna akao amin'ny Tompo.3Ary, mangataka aminao iany kô ry namako mpiray zoga: ampeo reo vevavy reo. Satria zareo de niara-niasa taminà tamin'ny fagnaparitana ny filazantsara niaraka tamin'i Klementa sy reo sisa namana mpiara-miasa aminà daôly, ze fa akao amin'ny Bokin'ny fiaignana ny anara'njareo.4Mifalia atraigny akao amin'ny Tompo. Hoy iany za, mifalia. 5Avelao ho fantatrin'ny ôla daôly ny fatsoram-ponareo. Efa ankeky ny Tompo. 6Aza magna na amin'ino na amin'ino. Fa kosa amin'ny ra daôly amin'ny alalan'ny vavaka sy fangatana, miaraka amin'ny fisaorana, avelao ny fangatanareo ho fantatr'Andriamanitra.7 Ary ny fiadanan'Andriamanitra, ze miôtra ny falalàna daôly, hiaro ny fonareo sy fisaignanareo daôly akao amin'i Kristy Jesosy.8Ary farany, ry ralà, na ino na ino marina, na ino na ino manan-kaja, na ino na ino ara-drariny, na ino na ino madio, na ino na ino mafinaritra, na ino na ino nitaravina fa tsara, raha misy na ino na ino tegna tsara, raha misy na ino na ino tokony ho deraina, de mevera an'iregny ra reigny. 9'Reo ra ze nenaranareo sy niraisinareo sy regninareo ary itanareo taminà, ataovy regny ra regny, ary ny Andriamanitry ny fiadanana hiaraka aminareo.10Mifaly be akao amin'ny Tompo za satria navaozinareo iany amizao fotona zao ny fiheveranareo anà. Efa mihevitra ana tokô anareo takeo alô, fa tsisy fahafana ho an'nareo mba hagnampy.11 Tsy milaza an'zany za satria akao agnatin'ny tsy fampena. Fa efa nianatra ny nifaly am'ze toe-java-miseho daôly za.12Fantatro ny hoe: mahantra ary fantatro kô ny hoe manam-be. Amin'ny fomba daôly sy amin'ny ra daôly de nianatra ny tsiambaratelon'ny finanam-be sy ny anoanana za,ary ny hoe manam-be sy ny hoe akao agnatin'ny tsy fampena. 13Afaka magnano ny ra daôly za amin'ny alalan'ny le mampahery anà.14Kanefa, anareo nagnano ny tsara taminà tamin'ny fasahiranako. 15Ary anareo filipiana mafantatra fa tamin'ny fendoan'ny filazantsara, rafa nandao an'i Makedonia za, de tsisy fengonana nanoana anà ra ny makasika ny fagnomezana sy ny fandraisana afa-tsy anareo rerika.16 Na taminà takaigny Tesalonika aza, de nandefa fagnampena ho an'ze nilaiko miôtra ny indray mande anareo.17 Tsy hoe nikarakara fagnomezana za. fa kosa, nikarakara vokatra ze nampiakatra ny voninatrareo za.18Nandray 'reo ra daôly za, ary manana betsaka be. fa feno za. voaraiko avy tamin'i Epafrodito 'reo ra avy taminareo. 'Reo de hanitra manim-pofona, ze fagnatitra azo ekena sy ankasitran'Andriamanitra.19 Ary Andriamanitro hameno ze daôly ilainareo araka ny haren'ny voninahiny akao amin'i Kristy Jesosy. 20Ary ho an'Andriamanitra sady Raintsika ane ny voninatra mandrakizay dory. Amena.21Maova veloma an'ny mpino daôly akao amin'i Kristy Jesosy. 'Reo ralà ze miaraka amina de magnano veloma an'nareo.22 'Reo mpino daôly ze aketo magnano veloma an'nareo, ndrindra 'reo ze avekao amin'ny ankohonan'i Kaisara.23 Ny fasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy ane ho amin'ny fagnanareo. [Fagnamarina: Misy 'reo fandikana sasagny magnampy hoe: "Amena."]

1 Thessalonians

Chapter 1

1Paoly, Silasy, ary Timoty ho an'ny fiangonanan'reo Tesaloniana akao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. [Fagnamarinana: Reo dikan-teny sasagny talô de mivaky hoe: "Amininareo ne ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo."]2Magnome fisaorana an'Andriamanitra mandrakariva zahay ny aminareo daôly, ka manognona anareo amin'ny vavakay.3Zahay de tsy mijanogna ny mahatsiaro anareo akeo agnatrehan'Andriamanitra Raintsika ny asan'ny fignoanareo, ny asan'ny fitiavanareo, ary fahatokisanareo maharitra ho an'ny oavy akao amin'Jesosy Kristy Tompotsika.4Ry ralà ten'Andriamanitra, fantatray fa Izy de efa nifidy anareo,5satria ny filazantsaranay de tonga taminareo tsy tamin'ny teny iany, fa tamin'ny hery iany kô, tamin'ny Fagnahy Masina, ary ny fahatokianabe. Mitovy amin'zany, anareo iany kô de mahalala hoe ô'la ôtrany manakôry zahay takeo aminareo no ny aminareo.6Nanjary nitovy aminay sy ny Tompo nareo, tamin'ny nandraisanareo ny teny tamin'ny ady sarotra geda sy tamin'ny fifalegna avy amin'ny Fagnahy Masina.7Vokatr'zany, tonga ohatra ho an'ny daôly ze mino akao Makedonia sy Akaia anareo.8Fa avy taminareo no nagnenoan'ny tenin'ny Tompo, ary tsy takao Makedonia sy Akaia iany. Fa kosa, teny amin'ny toerana daôly no niparitahan'ny finoanareo an'Andriamanitra. Vokatr'zany, de tsy mila mikoragna ninoninona isika.9Fa zareo iany no ikoragna ze fandraisagna azonay takeo aminareo. Zareo de mikoragna ny fomba nitodenjareo tamin'Andriamanitra ka niala tamin'reo sampy mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina.10Zareo de mitatitra fa nareo de mandigny ny Zanagny avy agny an-danitra, ze natsangany tamin'reo maty. Jesosy zany, ze magnafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.
Chapter 2

1Fa ny tegnanareo de mahafatatra, ry ralà, fa ny fahatongavanay takeo aminareo de tsy fôgna.2Fantatrareo fa talô de nijaly ary nalam-baraka tany Filipy zahay. Zahay de sa takao amin'Andriamanitra hilaza taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra takao agnatin'ny fanoerana leila.3Satria ny fananaranay de tsy avy tamin'ny fahadisoana, na avy tamin'ny fahalotoana, na avy tamin'ny fitaka.4Fa kosa, araka ny fagneken'Andriamanitra anay mba hatokisanay amin'ny filazantsara, no zany de miteny zahay. Miteny zahay, tsy hampifaly ny ô'la, fa hampifaly an'Andriamanitra. Izy le mahalala ny fonay.5Satria tsy de nampiasa navena navena reo teny fandokafana zahay, araka ny fanatatrareo, na kô ho felan-tsigny amin'ny fitsiriritana, satria Andriamanitra no vavolombelonay.6Na kô nikaraka ny voninahitra avy amin'ny ô'la zahay, na kô avy aminareo na avy amin'reo hafa. Zahay de afaka nitaky reo tombotsoa ôtran'reo apostolin'i Kristy.7Fa kosa, zahay de tsotra takeo aminareo toy ny reny mankahery ny zanay naterany. [Fanamarihana: Reo dikan-teny hafa sasagny de mivaky toy zao: "Fa kosa, zahay de ôtran'ny zazakely takeo aminareo, rafa mankaery ny zanagny nateragny ny reniny."]8De ôtran'zany no nanagnanay fitiavana ho anareo. Faly zahay mizara aminareo, tsy ny filazantsara an'Andriamanitra iany, fa ny fiaignanay manokana iany kô. Satria nareo de lasa malalany tokoa.9Satria tsaroanareo, ry ralà, ny asanay sy ny fisasaranay. Andro aman'aligna no niasanay mba tsy afanay mampitondra mavesatra ny raika aminareo. Nandritra zany fotoagna zany, de nitory ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo zahay.10Nareo no vavolombelogna, ary Andriamanitra iany kô, fa misana, sy marina, ary tsy manan-tsiny ny fitondran-tenanay takeo aminareo zay mino. 11Toy zany iany kô de fantatrareo hoe toy ny aona no nataonay taminareo tsirairay toy ny ataon'ny ray amin'ny zanagny nateragny, 12negavy sy nankaery ary nandrisika anareo zahay mba handeha amin'ny fomba zay mendrika an'Andriamanitra, zay miantso anareo ho akao amin'ny fanjakany sy ny voninahiny manokagna.13Fa zany antony zany no isaoranay iany kô an'Andriamanitra mandrakariva.Fa anareo rafa nandray avy taminay hafatr'Andriamanitra ze regninareo, de noraisinareo zany tsy ho toy ny tenin'ôla. Fa kosa,noraisinareo zany araka ze marina, de ny tenin'Andriamanitra. Zany teny zany iany kô no miasa akeo aminareo ze mino.14Satria nareo, ry ralà, de lasa ôtran'reo fiangonan'Andriamanitra akaigny Jodia ze amin'Jesosy Kristy. Fa nareo iany kô de nijaly tamin'reo ra reo iany no ny nataon'reo mpiray tanindrazagna aminareo, ôtran'ny nanjo an'jareo kô no ny nataon'ny Jiosy taminy. Reo Jiosy no namono na an'Jesosy Kristy na reo mpaminagny. 15Reo Jiosy no nandroaka anay. nakasitraka an'Andriamanitra zareo. Fa kosa, zareo de favalon'ôla daôly.16 Zareo de nandraranay tsy hiteny amin'ny Jentilisa mba tsy hamonjena an'izy regny. Vokatr'zany de mameno ny fahotan'ny tegnany mandrakariva zareo. Ny fahatezerana de tsy maintsy tonga akeo amin'jareo amin'ny farany.17Tafasaraja taminareo zahay, ry ralà, nandritra ny fotoana fohy, tamin'ny fagnatrena fa tsy tamin'ny fo. Tegna nazoto fatratra zahay, nagniry mafy, ny hatazagna ny tavanareo. 18Satria nagniry ny ho akaigny aminareo zahay, za, Paoly, matetitetika, nefa nanakana anay i Satana.19 Fa ino ma ny fagnantenanay ny ho avy, na fifalena, na sato-boninahitry ny fandresena akeo agnatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaveny? Mô tsy anareo ôtran'reo sasagny hafa kô va? 20Fa anareo no voninahitray sy fifalenay.
Chapter 3

1Noho zany, rafa tsy afaka niaritra an'zany intsony zahay, de neritreretinay fa tsara ny mijanona aketo Atena.2 Nandefa an'Timoty zahay, ralanay sy mpiara-miasa ho an'Andriamanitra akao amin'ny filazantsaran'i Kristy mba hagnamafy sy hankahery momba ny finonareo (Fagnamarihana: Ny dikanteny sasagny hafa talô de mivaky hoe: Nandefa an'Timoty zahay, ralany ary mpanompon'Andriamanitra akeo amin'ny filazantsaran'i Kristy.")3 Nataony zany mba tsy hisy ô'la ho taitra noho reo fahorena reo. Fa ny tegnanareo de mahay fa zany no nanendrena antsika.4Marina tokotra rafa niaraka taminareo de nilaza mialô taminareo, fa tsika de tsy maintsy hampahorena, ary nitranga zany araka ny fantatrareo. 5Noho zany antony zany, rafa tsy nadigny an'zany intsony za, de nagniraka mba afantarako ny finonareo. Angamba ny mpiaka fagnahy de efa naka fagnahy an'nareo, ary ho tsisy dikany ny asantsika.6Fa tonga taty aminay avy taigny aminareo Timoty, ary nitondra ny vaovao tsaran'ny finoana sy fitiavanareo ho an'nay. Nilaza taminay izy fa anareo de managna fatsiarovana tsara an'nay fogna, ary nareo de magniry mafy ny hahita an'nay ôtran'ny fagnirianay hahita an'nareo.7 Noho izany, ry ralà, zahay de nampaherezinareo noho ny finoana, takao agnatin'ny fanaintaignana sy fahorenay daôly.8Fa am'zao fotoana zao velona zay ra mamagna mafy amin'ny Tompo anareo.9 Fa fisaorana ôtran'ny akôry no azonay amena an'Andriamanitra ny aminareo tamin'ny fifalena daôly ze anagnanay teo agnatrehan'Andriamanitray noho ny aminareo?10 Mivavaka mafy andro aman'alina zahay mba haita ny tavanareo sy hameno ze tsy ampy akao amin'ny finoanareo.11Andriamanitra Raintsika tegnany, ary Jesosy Tompontsika anie, hagnitsy ny lalanay ho aminareo.12 Ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso amin'ny fifankatiavanareo amin'ny hafa sy ny ôla daôly, ôtran'ny ataonay aminareo koa.13 Izy anie hagnamafy ny finoanareo ka mba tsy hanantsigny amin'ny famasinana izy reo akeo agnatrehan'Andriamanitra Raintsika, amin'ny fihaven'i Jesosy Tompontsika miaraka am'reo masina daôly.
Chapter 4

1Ary farany, ry ralà, mampaery sy magnanatra anareo zahay akao amin'ny Tompo Jesosy. Ra nahazo reo fampianarana avy aminay nareo momban'ny fomba tsy maintsy handeananareo sy hamalifalenareo an'Andriamanitra, ny amin'io lalana andeanana io iany kô, de mba anaovanareo miôtra izany.2 Fa nareo de mahafantatra reo fampianarana ze namenay anareo tamin'ny alalan'i Jesosy Tompo.3Fa zao no sitrapon'Andriamanitra, de ny hagnamasinana anareo, mba elanareo amin'ny fijangajangana,4ze afantaran'ny tsiraikaraika avy aminareo ny fomba azona ny fanaky ny tegnany akao amin'ny fahamasinana sy voninahitra,5tsy amin'ny filan-dratsy (sala dreo Jentilisa ze tsy mahafantatra an'Andriamanitra). 6Ôka tsisy ô'la handika na hanaratsy ny ralà amin'zany. Fa nu Tompo no mamaly amin'regny ra daôly regny, ôtrany nampitandremanay melô sy nijoroanay vavolombela taminareo.7Fa Andriamanitra tsy nagnatso anay ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana.8No zany, izy ze mandà zany de tsy mandà ô'la, fa Andriamanitra, ze nagnome ny Fagnahiny Masina ho anareo.9Momban'ny fifankatiavan'ny mpiralà, tsy mila ô'la afa nareo hanoratra ho anareo, fa nareo tegnanareo de nampianarin'Andriamanitra mba hifankate.10Ataonareo tokô zany, ho an'reo ralà daôly ze eran'i Makedonia. Fa zahay de mananatra anareo, ry ralà, mba hagnano miôtra.11Magnanatra anareo iany kô zahay mba hanandrana hiaigna am-pilaminana, hisaina ny raranareo manokana, ary hiasa amin'ny tagnanareo, araka ny nandidianay anareo,12mba anagnanareo fitondran-tegna mendrika akeo agnatrehan'reo tsy mino ary tsy hanan-java-mahory.13Fa tsy tenay ho fantatrareo, ry ralà, ny momba reo ze efa maty, mba tsy hampalaelo anareo ôtran'reo ambiny ze managna antoka ny amin'ny ho avy.14Fa ra mino tsika fa Jesosy de maty ary nitsangana ndre, de ôtran'zany kô no hitondran'Andriamanitra miaraka amin'i Jesosy reo ze efa maty takao aminy.15Fa zao no taraviny aminareo tamin'ny tenin'Tompo, fa isika ze velona, ze sisa tavela amin'ny fahatongavan'ny Tompo, de tsy hialô tokô reo ze maty.16Fa ny tegnan'ny Tompo no hidigna avy agny an-danitra. Ho avy miaraka amin'ny feo avy Izy, miaraka amin'ny feon'ny Arkanjely, ary miaraka amin'ny trompetran'Andriamanitra, ary ny maty akao amin'i Kristy no hitsangana vôlôny.17Avy akeo tsika ze velona, ze sisa tavela,hiaraka hiakatra amin'jareo egny amin'ny rôndro ka hiaogna amin'ny Tompo egny amin'ny habakabaka. Amin'zany de hiaraka amin'ny Tompo mandrakariva tsika.18No zany, mifankaereza amin'reo teny reo.
Chapter 5

1Amizao fotôna zao mikasika ireo fotôna sy reo vanim-potôna, ry ralà, tsy mila na ino na ino vôsoratra ho anareo nareo.2 Fa anareo tegnanareo mafantatra tsara ny andron'ny Tompo de ho avy ôtran'ny mpangalatra amin'ny alina. 3Rafa miteny zareo, "Miadana sy milamina," de fapotena tampoka no ho avy amin-jareo. Ho ôtran'ny fararen'ny vevavy mitondra ivagna rafa miteraka zany. Tsy ho afaka milefa mitsy zareo.4Fa anareo, ry ralà, de tsy akao agnatin'ny aizigna ka hatakatra anareo tampoka ôtran'ny mpangalatra ny andro. 5Fa anareo daôly de zanaky ny mazava sy zanaky ny andro. Tsy zanaky ny alina tsika na zanaky ny aizigna.6 No zany, ndeha tsika tsy atory ôtran'ny fataon'ny ambiry.7 Fa kosa, ôka tsika iambina sy ahonon-tena. Fa reo ze matory de magnano an'zany amin'ny alina, ary reo ze mamo de magnano an'zany kô amin'ny alina.8Fa ra mbôla amin'ny andro tsika, de tsy maintsy mahonontegna tsika ary mitafy ny finona sy fitiavana ho ferovan-tratra, ary ny antoky ny fagnavotana amin'ny ho avy ho ferovan-dôntsika.9 Fa Andriamanitra tsy manendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa hazaôna ny famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 10Izy la maty ho an'tsika, na mifôtsika na matory, de afaka miara-miaigna aminazy. 11Ka noho zany mifampionona ary mifampahereza anareo, ôtran'ny efa nataonareo.12Mangataka aminareo zahay, ry ralà, mba agnikenareo ze misasatra aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary ze magnanatra anareo.13Mangataka anareo ihany kô zahay mba hagnaja an'jareo am-pitiavana noho ny asan-jareo. Mihavàgna amin'ny tegnanareo. 14Magnanatra an'nareo zay, ry ralà: mampitandrema ny fikorontagnana, ampaherezo reo kivy, ampeo reo malemy, mahareta amin'ny daôly.15Indro tsisy ôla mamaly ratsy ny ratsy na amin'iza na iza. Fa kosa, mikarà ze tsara ho an'ny tsiraikaraika sy ho an'ny daôly.16Mifale mandrakariva. 17Aza mitsatra mivavaka.18Misaora amin'ny ra daôly. Fa zany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho an'nareo.19Aza mamono ny fagna. 20Aza magnano tsinotsinona reo faminanina.21 Andramo ny ra daôly. Mifikira amin'ny ze tsara. 22Alao reo fisehoan'ny ratsy daôly.23Andriamanitry ny fiadanana ane hampamasina anao tanteraka. Ôka ny fagnanareo magnotolo, ny aigna, ary ny vatagna de hotahirizina tsy hanan-tsigny ho amin'ny fatongavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.24 Matokia izy le miantso an'nao, le raika ze hagnano zany iany kô.25Ry ralà, mivavaha ihany kô ho an'nay.26Arabao amin'ny fagnorohana masina ny ralà daôly.27Mangataka aminareo amin'ny Tompo za mba ho vakina amin'ny ralà daôly ty taratasy ty.28Ho aminareo ane ny fasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

2 Thessalonians

Chapter 1

1Paoly, sy Silasy, ary Timoty, ho aigny amin'ny fiangonan-jareo Tesaloniana akao amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesôsy Kristy Tompo. 2Ho aminareo ane ny fahasoavana sy fedanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesôsy Kristy Tompo.3Zahay de tokony hagnome fisaorana an'Andriamanitra ho anareo fôgna,ry ralà, Fa zany no tsara atao, satria tegna mitombo lôtra ny finonareo ary ny fitiavanareo tsiraikaraika de mitombo ho an'ny hafa. 4Non'izany de Zahay, sy ny tegnanay de mitare ampireharehana omba anareo akeo amin-jareo fiangon'Andriamanitra. Zahay de mikoragna ny momba ny fateranareo ary ny finonareo tamin'ny ze daôly nagnenjena anareo. Mikoragna momba ny fahorena ze neretanareo. 5Zany de famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra. Ny vokany de raisina ho mendrika ny fanajakan'Andriamanitra ze nijalenareo narero.6Marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahorena reo ze mampahory an'nareo, 7ary hagnome fitsaharana ho anareo ze nampahoriana niaraka taminay. Ho ataony zany amin'ny fisehoan'i Jesôsy Tompo avy aigny an-dagnitra miaraka amin-jareo anjelin'ny heriny. 8Ao amin'ny afo miredareda no hagnanôvany ny valifaty amin-jareo ze tsy mahay an'Andriamanitra sy amin-jareo ze tsy mamaly ny filazantsar'i Jesôsy Tompontsika.9Zareo reo de hijaly amin'ny famaizan'ny fandringanana mandrakizay, lavitry ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny. 10Hagnano an'izany Izy rafa tonga amin'izany andro zany mba hagnomezan'ny ôlony daôly voninahitra an'Azy sy higagan-jareo daôly ze nino. Fa ny fijorony vavoloombelogna aminareo de ninôny.11Non'izany de mivavaka mandrakariva ho anareo iany kô zahay. Mivavaka zahay mba ho mendrika ny ho raisin'Andriamanitsika amin'ny fagnantsovana anareo. Mivavaka zahay mba ho tanteraka amin'ny hery ny fagnirinareo ny fatsarana sy ny asan'nty finôna daôly. 12Mivavaka zahay mba hagnomezany voninahitra anareo, nony fahasoavan'Andriamanitrsika sy Jesôsy Kristy Tompo.

Chapter 2

1Amin'izao fotôna zao de momba ny fihavian'i Jesôsy Krsity Tompontsika sy ny nagnangonana antsika iaraka amin'Azy. Magnontany areo zahay, ry rahalà, 2mba tsy ho mora elingelenina na ihorohoro nareo na amin'ny Fanahy, na aminny hafatra, na amin'ny taratasy ze salan'ny hoe: Ho avay aminay nony vokatray ny fatongavan'zany andron'ny Tompo zany.3Aza avela hisy ôla hamitaka anareo na amin'ny fomba manakory. Fa tsy ho tonga zany ra tsy afaran'ny fahatongavan'ny fianjerana, ary ny leilà mpandika lalàna de abôna ny zanaky ny falôvana. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny tsara talô sasagny de vakina hoe:" ary ny leila mpanota de aseho"] 4Izy le manohitra sy manandratra ny tegnany amin'ze daôly antsovina hoe: Andriamanitra na ze ivavahana vokat'izany de nipetraka takao amin'ny Tempolin'Andriamanitra izy ary tsy mampiseho ny tegnany ho sahala ny Andriamanitra.5Tsy tadidinareo ma fa fony zà niaraka taminareo de nitare reo ra eo? 6Amin'izao fotôna zao fantatrareo ino no mitana an'azy mba abôna amn'ny fotôna mety rery iany. 7Fa ny ra misitriky ny andikan-dalàna de efa miasa, misy ôla raika iany misakana an'azy amin'izao fotôna zao mandrapangalana an'azy takeo amin'ny lalana.8Ary avekeo de abôga le tegna mpandika lalàna,ze holevoni'i Jesôsy Tompo amin'ny fofognainan'ny vavany. Ny Tompo de hagnano an'azy sala ny tsy misy amin'ny alalan'ny fagnambarana ny fiaveny. 9Ny fiaven'ilay tegna mapandika lalàna de non'ny asan'i Satana miaraka amin'ny hery daôly,reo famantarana, ary reo fahagagana tsy marina, 10ary miaraka amin'ny fitaka daôly ny amin'ny tsy fahamarinana. Ireo ra reo de ho anjareo ze very, satria izareo de tsy nandray ny fitiavan'ny fahamaribnana mba hahavonjy an-jareo.11Non'izany antony zany de mamndefa asan'ny fadisoana Andriamanitra mba hinoan'zareo lainga. 12Vokatr'izany de hotsaraina daôly izy daôly. Ireo ze tsy mino ny fvahamarinana fa kosa miaraka fafinaretana amin'ny tsy fahamarinana.13Fa zahay de tokony magnome fisaorana an'Andriamanitra fogna ho anareo , ry rahalà notiavin'ny Tompo. Fa Andriamanitra no nifidy anareo salan'ireo vôlom-bokatra ho an'ny famonjena amin'ny fagnamasinana ny fanahy sy ny finôna ny fahamarinana. [Fagnamarihana:ny dikan-teny hafa de mivaky sala am'zao: "Fa Andriamanitra de nifidy anareo hatramin'ny vôlony ho an'ny Famonjena]. 14Zany no nagnatsovany anareo tamin'ny alalan'ny filazantsaranay mba hazaonareo ny voninhitr'i Jesôssy Kristy Tompontsika. 15Ka non'izany, ry rahalà, mijorò mafy. Tano reo fahamarinana ze nampianarina anareo. Na tamin'ny teny na tamin'ny taratasinay.16Amin'izao fotôna zao,ôka Jesôsy Kristy Tompontsika tegnany, ary Andriamanitra Raintsika ze te antsika sy nagnome antsika fankaherezana mandrakizay sy ny fatokisana tsara ho an'ny ho avy amin'ny alalan'ny fahasoavana, 17hankahery ary hametraka ny fonareo amin'ny asa tsara daôly sy ny teny.

Chapter 3

1Amin'izao fotôna zao, ry rahalà, mivavà ho anay mba ho deraina sy omem-boninahitra ny koragnan'ny Tompo, de salan'izany iany kô ny aminareo. 2Mivavà mba ho afaka amin-jareo ratsy fanahy sy ôlon-dratsy zahay, fa tsy ny daôly manam-pinôna. 3Fa ny TOmpo de mahatoky, ze magnamafy orina sy miambina anareo amin'ilay ratsy.4Magnana fatokiana nty amin'ny Tompo momba an'nareo zahay, mba sady hagnanôvanareo no hanohizanareo reo ra ze nandidìna anay nareo. 5Ny Tompo ane hitarika ny fonareo ho amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiaretan'i Kristy.6Am'zao fotôna zao mandidy anareo zahay, ry rahalà amin',ny Agnaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika, mba hiala amin-jareo ra daôly ze miaigna akao agnatin'ny akamôna sy tsy arak'reo fomban-drazagna ze niraisinareo fa taminay. 7Fa nareo tegnanareo de mafantara fa mety aminareo ny ôtra'nay. Tsy niaigna takeo anivonareo ôtran'ireo ze tsy nagnan itsipika zahay. 8Tsy nihignana ahani'ôlo tsy nandô vola zahay. Fa kosa niasa andro amagnalinas tamin'ny asa sarotra sy ny ra sarotra zahay,mba tsy ho enta-mavesatra ho an'ny tsiraikaraika nareo. 9Tsy hoe nohon'ny tsy fanagnana fahefana no nagnaovanay zany . Fa kosa, nagnano zany zahay mba ho fitarattra ho anareo, ka mba hitôvy anay nareo.10Rafa ninaraka taminareo zahay de nandidy anareo hoe: "Ra misy raika tsy te hiasa, de tsy tokony ihinana izy." 11Fa maregny zahay fa miraviravy tagnana ny sasagny aminareo. Tsy miasa zareo fa mpitsabaka. 12Am'zao fotôna zao reo ôma ôtran'izany de didinay sy hanarinay amin'i Jesôsy Kristy Tompo; mba hiasa am-panginana sy ihinana ny ahanin-jareo manokana.13Fa nareo, ry rahalà, aza mamoy fo amin'ny fagnanovana ze marigna. 14Ra misy tsy magneky ny tenintsika amin'ity taratasy ty, mario akeo amason'ny ôla izy ary aza magnana fifandraisana amin'azy, ka mety ho megnatra izy. 15Aza atao fahavalo izy, fa hanaro ho salan'ny rahalà.16Fa le Tompon'ny fedagnana ane hagnome fedagnana an'nareo amin'ireo fotôna sy amin'ireo fomba daôly. Ho aminareo daôly ane ny Tompo. 17ty no fagnanovana veloma, zà Paoly tamin'ny tagnako, ze famantarana amin'ny taratasy daôly zao no soratro. 18Ny fahasoavan'i Kristy Kristy Tompontsika ane ho aminareo daôly.

1 Timothy

Chapter 1

1Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy araka ny didin'Andriamanitra mpamonjy antsika sy i Kristy Jesosy tokintsika, 2ho an'i Timoty, zanaka là marina akao am'finoana: Fasoavana, famindram-po, ary fedanana avy am'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesosy Tompontsika.3Araka ny nangatako mafy ho ataonao rafa niala takao Makedonia zà, mipetra akao Efesosy mba hafahanao mibaiko reo ôla sasagny tsy hampianatra foto-pampenarana hafa. 4Tsy tokony hitandrina reo tantara sy tetiarana tsisy fefarany zareo. Reo de niteraka adievitra fa tsy magnampy ny drafitr'Andriamanitra, ze am'alalan'ny finoana.5Ary ny tanjon'ny didy de fitiavana avy am'fo madio, avy am'feon'ny feritreretana tsara, ary avy am'finoana tsy metsaravelatsy.6 Ny ôla sasagny de tsy natratra ny tanjona ary niala tam'reo ra reo ho aigny am'lateny adaladala. 7Izy reo de te ho mpampiana-dalàna, kanefa zareo tsy mahazo ze lazainy sy hizingizin'jareo. 8Fa tsika de mafantatra fa ny lalàna de tsara raha misy raika mampiasa an'azy am'ara-dalàna.9Tsika de mafantatra izany, fa ny lalàna de tsy natao ho an'ny ôla-marina, fa ho an'ny mpandika lalàna sy ôla mpikomy, ho an'reo ratsy fagna sy mpagnota, ary ho an'reo andriamani-diso sy tsy masina. Zany de natao ho an'reo ze mamono ny ray sy reniny, ho an'reo mpamono ôla, 10ho an'reo ratsy fitondran-tegna ara-nofo, ho an'reo sodomita, ho an'reo mpaka an-keriny ôla mba ho andevozina, ho an'roe mpadainga, ho an'reo vavolombelona tsy marina, ary na ino na ino hafa manoitra ny fampenarana mahatoky. 11Io fampenarana io de mifanaraka am'filazantsaran'ny voninahitr'le Andriamanitra vôtahy ze nankignina taminà.12Isôrako i Kristy Jesosy Tompontsika. Nampaery anà Izy, fa nataony matoky za, ary nanendry anà ho am'fanompoana Izy. 13Zà de mpiteny ratsy, mpagnenjika, ary leilà mahery setra. Kanefa nahazo famindram-po za satria tam'tsy fahalalana no nagnanôvako an'zany nony tsy finoana. 14Fa ny fasoavana'ny Tompontsika no nandrakotra tam'finoana sy fitiavana ze ao am'i Kristy Jesosy.15Zao afatra zao de azo antoka sy mendrika ny fagnekena daôly, fa i kristy Jesosy de tonga taketo an-tany hamonjy reo mpanota. Za no ratsy ndrindra tam'reo. 16Fa no'zany antony zany no namindrana fo taminà, mba am'alalako, ny leibe ndrindra, i Kristy Jesosy de mety hampiseho ny faretana daôly. Nagnano an'zany Izy ho ôtra ho an'reo ze magniry hatoky an'Azy ho an'ny fiaignana mandrakizay. 17Ary ho an'ny mpanjakan'ny taona, tsy mety maty, tsy hita maso, ny Andriamanitra tokana, anie ny laza sy voninahitra mandrakizay doria. Amena.18Zao didy zao no ameko an'nao, Timoty, zanako, araka reo faminagnina natao momba an'nao taigny alô, fa enao de mety hiady ny ady tsara, 19ny fitanana ny finoana sy ny feon'ny fieritreretana tsara. Tam'fandavana an'zany, misy ny nagnano sambo vaky ny finoany. 20Salan'i Hymeneo sy Aleksandro, ze natolotro ho an'i Satana mba ampenarana an'jareo tsy hiteny ratsy.
Chapter 2

1Vôlôny indrindra, de mampirisika za fa reo fangatahana, vavaka, fifonana, ary fisaorana de natao ho an'ny ôla daôly, 2ho an'reo mpanjaka sy reo daôly akeo amin'ny fahefana, mba ahafantsika miaigna amin'ny fiadanana sy miaigna milamina amin'ny toe-pagna araka an'Andriamanitra sy ny fahamendrehana daôly. 3Izany de tsara sy azo ekena agnatrehan'Andriamanitra mpamonjintsika.4 Tena hovonjena daôly ny ôla daôly ary tonga amin'ny fafantarana ny marina.5Raika fôgan no Andriamanitra, ary raika fôgna kô ny mpagnelagnelagna amin'Andriamanitra sy ny ôla, de Kristy Jesosy.6 Izy nagnome ny tegnany ho vidim-pagnavotana ho an'ny daôly, de nataony ho fijoroana vavolombelona amin'ny fotôna tokony izy. 7Fa noho ny amin'zany tanjona zany, za ny tegnako de natao ho mpitory sy ho Apostoly. Mikoragna ny marina za, fa tsy mandainga. Mpampianatra an'reo Jentilisa amin'ny finona ny fahamarinana za.8Noho zany, de teko ny leila mba hivavaka sy hanandra-tagnana masina tsy n'aiza n'aiza tsy amika-sosena na amin'ny fifandirana. 9Ary sala am'zany kô, ny vevavy mba hekanjo akanjo mendrika ny tegnany, amin'ny fahamôntinana sy ny fifehezan-tegna. Tsy tokony hirandram-bolo na akanjo lafo vidy.10 Teko zareo mba hekanjo am'ze mety am'reo vevavy ze mampiseho ny toe-pagna araka an'Andriamanitra amin'ny asa tsara daôly.11Ny vevavy de tokony hianatra ami-pahanginana ary hagneiky tanteraka. 12Tsy avelako hampianatra ny vevavy na hampihatra fahefana amin'ny leila, fa hijanona akeo agnaty fahanginana.13Fa Adama no noforonina vôlôny, zany vô Eva. 14Adama de tsy vôfitaka, fa ny vevavy no vôfitaka tanteraka tamin'ny fandikan-dalàna. 15Na izany aza, de hovonjena izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finona sy ny fitiavana ary ny fahamasinana miaraka amin'ny fahononan-tegna.
Chapter 3

1Matokisa zao teny zao: Raha misy ôla raika magniry ny ho mpiandraikitra, de magniry asa tsara izy. 2Noho zany de ny mpiandraikitra de tsy maintsy tsy managn-tsigny. Tsy maintsy manambady vevavy tokana izy. Izy de tokony ahay handanjalanja, hendry, te filaminana, te mandray ôla. Tsy maintsy mahay mampianatra izy. 3Tsy tokony za-dratsy amin'ny divay izy, tsy mpila ady, fa kosa, malemy fanahy, feno fiadanam-po. Izy de tsy tokony ho te vola.4Tokony hitantana tsara ny tokantragnony izy, ary reo zanany de tokony hagneky an'azy am-pangajana tanteraka. 5Fa raha tsy mahay mitantana ny tokan-tragnony izy, ataony akôry ny hikarakarana ny fiangonan'Andriamanitra?6Tsy tokony ho ôla vô niova fo izy, mbô tsy hiendaendany ka ho lavo amin'ny fanamelohana salan'ny devoly. 7Izy iany kô de tsy maintsy tsara laza am'reo ôla aigny avelany, mbô tsy ho lavo agnaty fafam-baraka sy ny fandriky ny devoly.8Reo Diakona, ôtran'zany iany kô, de tokony ho mendrika. Zareo de tsy tokony hisotro divay betsaka lôtra na tsy mahalala onona ara-tsakafo. 9Tokony hitana ny fahamarinan'ny finoana nambara miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio. 10Zareo iany kô de tokony ho sedraina melô, avekeo de tokony nagnompo satria tsy managn-tsigny zareo.11Reo vevavy iany kô de tokony ho mendrika salan'zany. Tsy tokony ho mpanendrikendrika zareo. Tokony hahay handanjalanja ary mahatoky amin'ny ra daôly. 12Reo Diakona de tokony hanambady tokana. Tsy maintsy mitantana tsara reo zagnany sy ny tokantragnony zareo. 13Fa reo ze nagnompo tsara de handray laza tsara sy fahatokisana lehibe amin'ny finoana ho an'ny tegnan-jareo ze akao amin'i Jesosy Kristy.14Manoratra reto ra reto aminao za, ary magnantegna ny ho avy tsy ho ela akaigny aminao za. 15Fa raha tara za, de manoratra mbô hafantaranareo ny fitondrantegna akao amin'ny tokantragnon'Andriamanitra, ze fiangonan'Andriamanitra velona, le vato fehizoro sy fitoeran'ny fahamarinana.Tsy azo lavina fa ny fahamarinana nambara ze araka an'Andriamanitra de lehibe: "Izy de nibôgna tamin'ny nofo, nohamarinin'ny Fagnahy, hitan'ny anjely, nambara takeo agnivon'reo firenena, ninoan'zao tontolo zao, ary nasandratra tamim-boninatra."

Chapter 4

1Am'zao fotôna zao de mitare mazavatsara ny Fagna fa amin'ny fotôna aigny afara aigny de hiala amin'ny finôna ny ôla sasagny ary mitandrema tsara am'reo fagna mamitaka sa ny fampenaran'ny demonia, 2amin'ny fetsarambelatsin'ny mpandainga. Fa vômarika amin'ny vy mamay ny feon'ny feritreretan'jareo.3Ho raràn'jareo ny manambady sy ny mandray reo ahanina ze noforonin'Andriamanitra ho zaraigna miaraka amin'ny fisaorana akeo am'reo ze mino sy ze mafantatra ny marina. 4Fa ny ra daôly ze noforonin'Andriamanitra de tsara. Tsisy ho lavina ny ra noraisintsika tamim-pisôrana. 5Fa namasinina tamin'ny tenin'Andriamanitra sy ny vavaka zany.6Raha apetrakareo akeo agnolôn'reo rahalà reo ra reo, de ho mpanompo tsaran'i Jesosy Kristy anareo. Fa notazaina tam'reo tenin'ny finôna sy tamin'ny fampenarana tsara ze narahinareo anareo. 7Fa ialao ny angano tantarain'ny anti-bavy. Fa kosany, tariho hagnome voninahitra an'Andriamanitra ny tegnanareo. 8Fa ny vatagna ampesaina de kely fogna no azo ampesana an'azy, kanefa fampiasa amin'ra daôly ny toetra araka an'Andriamanitra. Tano ny fampanantenana am'ty fiaignana zao ty sy ny fiaignana ho avy.9Ty hafatra ty mendri-pitokisana sy mendrika ny fafenon'ny fanekena. 10Fa no zany de hitologna sy hiasa mafy tsika. Fa matoky akao amin'Andriamanitra velona tsika, ze Mpamonjy ny ôla daôly, ndrindra reo ze mino.11Ambarao sy ampenaro reo ra reo.12 Aoka tsy hisy hagnano tsinontsinona ny fatanoranao. Fa kosany, aoka ho fitaratra ho an'reo ze mino, amin'ny fiteny, fitondran-tegna, fitiavana, ary fahadiovana. 13Mandra-peveko, tohizo ny famakiana, ny fagnanarana, sy ny fampenarana.14Aza atao tsinotsinona ny fagnomezam-pasoavana ze akao aminao, ze namena an'nao tamin'ny alalan'ny faminagnina, niaraka tamin'ny fametran-tagnan'reo loholona. 15Aza atao antsirambina regny ra regny. Ikeso ny ho akao am'jareo, de mba hitan'ny ôla daôly ny fandrosônao. 16Tandremo tsara ny tegnanao sy ny fampenarana. Tohizo iregny ra regny. Fa raha magnano salan'zany de ho nonjenao ny tegnanao sy reo ze mitaino an'nao.
Chapter 5

1Aza mibedibedy ny lahy antitra. Fa kosa, anaro ôtran'ny ray izy. Anaro ôtran'ny rahalà reo leila tanora. 2Anaro salan'ny reny reo vavy antitra, ary reo vevavy tanora ôtran'ny anabavy akao amin'ny fahadiovana daôly.3Magnajà an'reo mpitondrategna, reo tegna mpitondrategna. 4Fa raha manan-janaka na zafikely ny mpitondrategna raika, de avelao zareo alô hianatra hampiseho fagnajana akao amin'ny tokantragnony. Ôka zareo hamaly babena reo ray aman-dreniny, satria ankasitrahan'Andriamanitra zany.5Fa ny tegna mpitondrategna de navela ho rerika. Mametraka ny fitokoany amin'Andriamanitra izy. Mijagnona hatraigny am'reo fangatahana sy vavaka magnalin'andro. 6Na zany aza, ny vevavy ze miaigna ho an'ny fafinaretana de maty, na de mbôla velona aza izy.7Torio zany ra zany mbô tsy anagnan-jareo tsigny. 8Fa raha misy ôla tsy magnome ho an'reo havany ankeky, ndrindra ho an'reo ze akao amin'ny ankohonany, de nandà ny finoana izy ary tsy lavitra noho ny tsy mpino.9Ôka hosoratana ho mpitondrategna ny vevavy ze tsy latsaky ny enimpolo taona, vevavy raika ze vadin'ny leila raika. 10Tokony ho fantatra noho reo asa tsara izy, na nikarakara reo ankizy, na iany kô nampetragno an'reo mpivahiny, na nagnasa ny tongotr'reo mpino, na nagnamaivagna ny ory, na nagnolo-tegna tamin'ny asa tsara daôly.11Fa ho an'reo mpitondrategna mbôla tanora kosa, de aza maneky ny hagnoratra an-jareo akao agnaty lisitra. Fa rafa milavo-lefona amin'ny filan'ny nofo hagnohitra an'i Kristy zareo, de te-hagnambady. 12Am'zany zareo de ahazo fagnamelôhana satria namadika ny fagnoloran-tegnany vôlôny. 13Ka de lasa zatra kamo kô zareo. Mandende mitety tragno. Tsy hoe lasa kamo fôgnany zareo, fa lasa mpifosa sy mpila ady iany kô. Miteny ra ze tsy tokony ho tinenina zareo.14Noho zany de teko hagnambady reo vevavy mbôla tanora, hiteraka, hikarakara tokantragno, mbô tsy afahany magnome irika ny favalo hiampanga an'nay ho nagnano ratsy. 15Fa ny sasagny efa nivily sahady hagnaraka an'i Satana. 16Raha misy vevavy mino managna mpitondrategna, ôka izy hagnampy an-jareo, mbô tsy hagnavesatra ny fiangonana, mbô afahany magnampy reo tegna mpitondrategna marina.17Ôka reo lôholona ze magnapaka tsara mbô ho raisina ho mendri-boninatra avo roa heny, ndrindra reo ze miasa miaraka amin'ny teny sy amin'ny fampenarana. 18Fa ozy ny Soratra Masina hoe: "Tsy tokony hagnisy fehiny ny vavan'ny ny omby anao raha mbôla mively voa izy." ary kô: "Ny mpiasa de mendrika ny karamany."19Aza mandray fempangana magnohitra ny lôholona raika raha tsisy vavolombelona roey na telo. 20Ahitsio akeo agnatrehan'ny daôly reo mpagnota mbô hatatra ny ambiny hafa.21Mandidy an'nao mafy za akeo agnatrehan'Andriamanitra sy akeo agnatrehan'i Kristy Jesosyary reo anjely vôfidy, mbô hitazonanao an'reo didy reo tsisy fitsaratsarana ary mbô tsy hagnanôvanao na ino na ino amin'ny fiandaniana. 22Aza maimaika mametra-tagnana amin'iza n'iza. Aza mirao akao amin'ny fahotan'ny ôlon-kafa. Tokony hitàna ny tegnanao hadio anao.23Tokony tsy hisotro rano tsony anao. Fa kosa, tokony handray divay kely anao ho an'ny vavony sy reo aretinao mateti-pitranga. 24Ny fahotan'reo ôla sasagny de fantatra miharihary, ary zareo de mande alôhan'reo akao amin'ny fitsarana. Fa ny ota sasagny magnaraka avy aty afara. 25Ôtran'zany fôgna kô, misy asa tsara fantatra miharihary, saingy reo sasagny aza de tsy azo asitrika.

Chapter 6

1Ôka reo daôly ze akao ambany zoga ôtran'reo andevo mba hagnano ny tompony ho mendrika ny haja daôly. Izy reo de tokony hagnano an'zany mba tsy hitenenana ratsy ny agnaran'Andriamanitra sy ny fampenarana.2 Reo andevo ze managna tompo mino de tsy tokony hagnano tsinotsinona an'jareo satria mpirahalà aminazy. Fa kosany, zareo de tokony hanompo an'reo hatraigny amin'ny farany. Fa reo tompo ze nampena tamin'ny asan'jareo de mpino sady tiavina. Ampenaro ary ambarao re ra reo.3Hevero fa ny ôla de mampianatra am'fomba hafa ary tsy magneky ny fagnatorontsika ara-pinoana, ze tenin'i Jesosy Kristy Tompontsika. Hevero fa zareo de tsy magneky ny fampenarana ze mitondra aigny am'toetra araka an'Andriamanitra. 4Zany ôla zany de mirehareha ary tsy mahalala na ino na ino. Fa kosany, izy de adalan'reo adihevitra sy reo fandresen-datra momba an'reo teny. Iregny teny regny de miteraka felonana, fanevatevana, ahiahy ratsy, 5ary ny fifandonana akeo am'reo ôla maloto fisainana. Miala am'marina izy reo. Mevitra izy fa ny toetra araka an'Andriamanitra no fomba ahatongavana ho mpanan-karena. (Fagnamarihana: Ny fandikana talô sasagny de magnampy hoe: "Miala am'ra salan'zany." Fa ny fandikana talô tsara indrindra de tsy magnampy an'zany.)6Ary ny toetra araka an'Andriamanitra miaraka am'fafam-po de tombony leilbe.7 Satria tsika de tsy nitondra na ino na ino am'zao tontolo zao. Tsy hahavita hitondra na ino na ino tsika. 8Fa kosany ôka tsika ho afa-po am'hanina sy ny fitafena.9Ary reo ze te ho lasana mpanan-karena de latsaka akao agnatin'ny fakam-pagna, akao agnatin'ny fandrika. Latsaka tao agnatin'ny hadalana sy reo filàna mampidi-doza maro zareo, ary iany kô reo hafa mandetika reo ôla akao am'faharavana sy ny fandriganana. 10Satria fototr'reo karazan-dratsy daôly ny fitiavam-bola. Ny ôla sasagny ze magniry an'zanyy d'efa vôvily niala tam'finoana ary nanindrogna ny tegnan'jareo tam'fahorena leibe.11Fa enao, ry leilan'Andriamanitra, milifasa an'reo ra reo. Mezàha mikaraka ny famarinana, ny toetra araka an'Andriamanitra, ny fatokisana, ny fitiavana, ny faretana ary ny hatsaram-pagna. 12Miade ny ady tsaran'ny finoana. Tano ny fiaignana madrakizay fa ho am'zany no netsovana an'nao. Zany de momba ny nijorônao vavolombelona ny am'ze inoanao takeo agnatrehan'reo vavolombelona maro tam'ze tsara.13Za de magnome an'nao zany didy zany aketo agnatren'Andriamanitra, ze natonga ny ra daôly ho velona, ary akeo agnatrehan'i Kristy Jesosy, ze nilaza ny marina teo agnatren'i Pontio Pilato hoe: 14Tahirizo tsara ny didy, tsy manan-tsiny, mandra-pisehon'ny Tompontsika Jesosy Kristy.15Andriamanitra de maneho ny fisehoany am'fotôna tokony ho izy - Andriamanitra, le raika ze notahina, le Mpanjaka ze manjaka, ary le Tompo ze manapaka. 16Izy reo iany no managna ny tsy fafatesana ary mipetraka akeo am'hazavana tsy azo hagnatognana. Tsisy olombelona mahita an'azy ny afaka mijery an'Azy. Ho an'azy anieo ny voninahitra sy ny hery mandrakizay. Amena.17Lazao ny mpanan-karena am'zao tontolo zao mba tsy hirehareha, sy magnantegna ny harena, ze tsy azo antoka. Fa kosany, tokony hagnantena an'Andriamanitra zareo. Magnome antsika ny harena marina daôly Izy mba hifaliantsika. 18Lazao izy reo mba hagnano ny tsara, mba hanan-karena am'asa tsara, mba alala-tagnana, ary vonona hizara.19 Am'zany fomba zany, de ho terizin'jareo ny fototra tsara ho an'ny tegnany am'ze ho avy, ka hitana ny tegna fiaignana.20Ry Timoty, arovy ze natolotra an'nao. Helao ny resaka adala sy ny fandresen-datra mifanotra momba ny fentsôna diso ny am'ze atao hoe falalana. 21Ny ôla sasagny de magnambara an'zany ra zany ka de tsy natsiaro ny finoany zareo. Ho aminareo anie ny fasoavana.

2 Timothy

Chapter 1

1Paoly, apostolon'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny sitrapôn'Andriamanitra, araka ny fampanantegnan'ny fiaignana ze akao amin'i Kristy Jesosy, 2an'i Timoty, zanaka teigny: Fasoavana, fiantrana, ary fedanana avy amin'Andriamanitra le Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.3Misôtra an'Andriamanitra za, ze tompoiko avy am-reo razambeko, miaraka amin'ny feon'ny feritreretana madio, salan'ny hatserovako anao isan'andro isan'andro amin'ny fivavàko andro aman'aligna. 4Salan'ny hatserovako reo ranomasonao, magniry mafy ny haita an'nao za, ka mety ho feno hafalegna za. 5Nampatsehivina taminà ny finônao marina, ze niaigna vôlôny takao amin'ny renibenao Loisa sy ny reninao Eonisa, ary resy latra za zao fa miaigna akao aminao iany kô zany.6Zany no antony ampatseiviko an'nao mba hampisainao ndre ny fagnomezan'Andriamanitra akao aminao amin'ny alalan'ny fametrako tàgnana. 7Fa Andriamanitra tsy nagnome fagnan'ny tahotra antsika, fa ny hery sy fitiavana ary fifehezan-tegna.8Ka aza megnatra amin'ny fijorôgna vavolombela momban'ny Tompontsika , na amina, Paoly, le gadrany. Fa kosa, mizarà amin'ny fahorina ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra. 9Fa Andriamanitra no namonjy antsika sy nagnantso antsika tamin'ny antso masina. Nagnano zany Izy, tsy no reo asantsika, fa non'ny drafitra ze efa natôgny sy ny fahasoavany. Na de mbola tsy nendo aza ny fotôgna de efa nagnome an-regny ra takao amin'i Kristy Izy. 10Fa am-zao fotôgna zao ny famonjen'Andriamanitra de nambara tamin'ny alalan'ny fiseon'i Kristy Jesosy Mpagnavotra antsika. Kristy ze nagnafôgna ny fahafatesana ary nitondra fiaignana ze tsy ho tapitra mandrakizay mba hagnazava amin'ny alalan'ny filazantsara. 11No zany, de vôtondro ho mpitory teny za, ho apostoly; ary ho mpampianatra. [Fagnamarihana: Reo dikan-teny talô sasagny manampy hoe:" Ho an'ny Jetilisa."]12Fa no zany antony zany de mijaly am-regny ra regny iany kô za. Fa tsy megnatra za, satria haiko Izy le ninoko. Resy latra za fa afaka mitazona ze efa nankinino tamin'azy Izy mandra-patongan'izany andro zany. 13Tazomy ny ohatra momba reo hafatry ny finôgna ze reigninareo taminà, miaraka amin'ny finôgna sy fitiavana ze akao amin'i Krsity Jesosy. 14Ny ra tsara ze natôn'Andriamanitra taminao, ambeno amin'ny alaln'ny Fagnahy Masina zany, ze miaigna akao amitsika.15Haiko zany, fa ze daôly nipetraka takaigny Azia de nivadika taminà. Akao amin'io fikambanana io reo Fizelio sy Hermozena. 16Enga ane ny Tompo hagnome famindram-po amin'ny tokantranon'i Onesiforo, satria namelombelona anà matetika izy ary tsy megnatra tamin'ny gadrako. 17Fa kosa, rafa takaigny Roma izy, de nikaraka anà fatratra, ka tazany za. 18Ny Tompo ane hampitranga an'azy ka haitany famindram-po avy aminy am-zany andro zany. Reo daôly nanampeny anà takao Efesosy , de haignareo tsara.
Chapter 2

1No zany enao, ry zanako mahereza akao amin'ny fasoavana ze akao amin'i Jesosy Kristy. 2Reo ra reigninareo avy aminà takeo agnatrehan'ny vavolombelona betsaka de hankigno amin'ny ôla mahatoky ze afaka hampianatra ny sasagny kô.3Mereta ra-sarotra miaraka aminà, ôtran'ny miaramila tsaran'i Jesosy Kristy. 4Tsisy miaramila manompo raha mbôla vôfandrik-reo raharahan-zao fiaignana zao, mba hafahany mampifaly ny leibeny. 5Ary raha misy ôla mifaninana salan'ny atleta, de tsy mandray ny satro-boninaitra izy raha tsy mifaninana amin'ny alalan-reo fitsipika.6Ilaigna ny fandraisan'le mpamboly ze miasa mafy ny anjara vokatra vôlôny. 7Saigno ny momba ze lazaiko, fa ny Tompo no hagnome anareo ny fahatakarana amin'ny ra daôly.8Tsarovy Jesosy Kristy, avy amin'ny taranak'i Davida, ze natsangana taminy maty. Zany de araka ny hafatry ny filazantsarako, 9ze mampijaly anà ny amin'ny famatorana ôtran'ny mpamono ôla. Fa ny tenin'Andriamanitra de tsy vôfatotra. 10No zany hiaretako ny ra daôly ho an'reo vôfidy, mba ho afaka handray ny fagnavotana ze akao amin'i Kristy Jesosy iany kô izy reo, miaraka amin'ny voninahitra mandrakizay.11Ty teny ty de mendri-pitokisana: "Raha maty niaraka taminy tsika, de ho velona hiaraka aminy iany kô. 12Raha miaritra tsika, de hanjaka hiaraka aminy iany kô. Raha mandà an'Azy tsika, de handà antsika iany kô Izy. 13Raha tsy matoky tsika, de hatoky fôgna Izy, satria tsy afaka mandà ny tegnany Izy."14Ampatseivo an'jareo hatrany reo ra reo. Ampitandremo akeo agnatrehan'Andriamanitra izy reo mba tsisy hifamaly momba reo teny. No io de tsisy ra ilaigna. No io de misy fahasimbana ho an'reo ze miaino. 15Omeo ny tsara avy aminao mba hanoloranao tegna ho an'Andriamanitra ôtran'le ankatoavina, mpiasa ze tsy magnana antony hahamegnarana, ze mampianatra ny tenin'ny famarinana amin'ny tokony ho izy.16Helao ny teny fanevatevana, ze mitondra tsikelikely aigny amin'ny faharatsim-pagna. 17Ny resak'izy reo de hiparitaka ôtran'ny fery mandavaka. Akeo agnolôn'reo Hymeneo sy Fileto. 18Izy reo no leila tsy mba nalala ny marina. Miteny izy reo fa ny fitsanganana amin'ny maty de efa nibôgna. Simban-jareo ny finoan'ny sasagny.19Na de zany aza, ny fofotra mafy natsangan'Andriamanitra de mijoro. Magnana ity soratra ity: "Ny Tompo de mafantatra reo ze an'azy" ary "Ze daôly magnonona ny agnaran'ny Tompo de tsy maintsy miala amin'ny tsy famarinana." 20Akao amin'ny tranon'ny mpanan-karena, de tsy reo fitoeran'ny volamena sy volafotsy iany no akao. Fa misy iany kô reo fitoeran'ny kakazo sy tanimanga. Ny sasagny amin'jareo de ho ampesaigna amim-boninaitra, ary ny sasagny ho amin'ny fagnalam-baraka. 21Raha misy ôla manadio ny tegnany ho afaka amin'ny fahafam-baraka, de fipetrana manan-kaja izy. Izy de vôtokana, ilaign'ny Tompony, ary vôomana amin'ny asa tsara daôly.22Milefasa an'reo filàn'ny tanora. Mitadiava fahamarianana, finoana, fitiavana, ary fihavanana miaraka amin'reo ze magnantso ny Tompo amin'ny fo madio. 23Saingy mandàva reo fagnontaniana adala sy tsisy fotony. Fantatrareo fa miteraka ady reo.24Ny mpanompon'ny Tompo de tsy tokony mifanditra. Fa kosa tsy maintsy malemy fagna amin'ny daôly izy, mahay mampianatra, ary maharitra. 25Tsy maintsy akao amin'ny fahalemem-pagna no ampenarany reo ze manohitra an'azy. Fa angamba Andriamanitra mety hagnome an'azy reo fibebahana ho an'ny fahalalana ny marina. 26Manjary hody ndre ny fisainan-jareo ary hiala ny fandriky ny devoly, rafa avy nosamboriny tamin'ny sitrapony.
Chapter 3

1Fa fantatro zao: am'reo andro farany de hisy reo fotôna magnahirana. 2Satria ny ôla ho te tegna, te vola, ho mpirehareha, mpandoka tegna, ho mpagnevateva an'Andriamanitra, tsy magnaja ray sy reny, tsy misaotra, ary tsy masina. 3Tsy hanam-pitiavana ny fianakaveny zareo, mpagnohitra, ho mnagnendrikendrika, tsy hafe-tegna, hahery setra, tsy ho te ny tsara. 4Ho mpamadika zareo, tsisy eritreritra, mpagnambony tegna, te fafinaretana miôtra noho reo te an'Andriamanitra.5Managna ny toetra salan'Andriamanitra zareo, kanefa de handà ny heriny. Mialà am'regny ôla regny. 6Satria ny sasagny tam'reo de leila ze miditra akao an-dragno ary mambabo reo veivavy adala. Reo no veivavt ze tsy afaka ami'ny fahotana sy voasariky am'reo filàna samihafa. 7Reo vevavy reo de mianatra fôgna, kanefa tsy ho tonga amin'ny fafantarana ny famarinana mitsy.8Ôtran'zany iany kô i Jana sy i Jambra nitsagana nanohitra an'i Mosesy. Tam'zany de nitsangana iany kô reo mpampianatra sandoka reo hanoitra ny marina. Zareo de leila maratra saigna, tsy nankasitrahana tamin'ny finoana. 9Fa tsy ho lasana lavitra zareo. Satria ny adalàny de ho tazagna mazava amin'ny ôla daôly sakan'reo leila reo.10Fa raha anareo ndre, de efa nagnaraka ny fampenarako, ny fitondrana, ny fikasana, ny finoana, ny faharetam-po, ny fitiavana, ny faharetana, 11reo fagnenjehana, reo fijalena, ary ze nitranga taminà taigny Antokia, taigny Ikonioma ary taigny Lystra. Niaritra reo fangnenjena za. Avy am'reo daôly reo, de namonjy anà ny Tompo. 12Ze daôly te hiaigna araka ny fomban'Andriamanitra akao amin'i Kristy Jesosy de ho hinjena. 13Reo ôlon-dratsy sy reo mpisandoka de ho aigny amin'ny ratsy koko hatraigny. Zareo de hitarika reo ôlon-kafa ho aigny amin'ny lalan-diso. Ary ny tegnan-jareo de ho voasarika am'zany.14Fa raha anareo kosa, mipitra akao am'reo ra ze efa nianaranareo sy ze efa ninoanareo mafy hoe avy amin'iza no efa nianaranareo. 15Hainareo fa hatramin'ny fahazazana de efa nalala reo asa soratra masina anareo. Regny de havita hampaendry an'nareo ho amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy.16Ny Soratra Masina daôly de avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Zany de tombony ho an'ny foto-pampianarana, ho an'ny fanondrôna re diso, ho an'ny fagnitsina, ary ho an'ny fampiofanana amin'ny famarinana. 17Zany de mbô hatonga ny leilan'Andriamanitra hahay tsara, sy ho voaomagna tanteraka amin'ny asa tsara daôly.

Chapter 4

1Za de magnome ty didy hentitra ty akeo agnatrehan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ze hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny fisehoany sy ny fanjakany: 2Mitoria ny Teny. Mivogonà na amin'ny fotôna na tsy amin'ny fotôna. Maganàra, mitinena mafy, mampirisiha, amim-paharetana sy ny fampenarana daôly.3Satria ho avy ny fotôna ze tsy hazakan'ny ôla ny feon'ny fampenarana. Fa kosa, zareo de hifidy mpampianatra ho an'azy araka reo fagniriny manokana. Reo de hagnitikitika ny sofin-jareo. 4Hagnala ny fiainon-jareo amin'ny famarinana reo, ary hivily ho aigny am'reo angano. 5Kanefa anareo, eritrereto tsara ny ra daôly. Hiareto ny zava-tsarotra; ataovy ny asan'ny evanjelista; tanteraho ny fanompoanareo.6Satria efa hatolotra sahady za. Efa tonga ny fotôna hialako. 7Za de efa navita ny ady tsara; efa navita ny hazakazaka za; efa notanako ny finoana. 8Ny satroboninahitry ny famarinana de efa vôtokana ho anà, ze amen'ny Tompo, le mpitsara marina, ho anà am'zany andro zany, ary tsy ho anà rerika fôgna, fa ho an'reo ze daôly ze efa nitia ny fisehoany.9Ameo daôly ze tsara avy aminareo mbô handianana aty aminà malaky. 10Satria i Demasy efa niala taminà. Teny zao tontolo zao ary efa nande taigny Tesalonika izy. Kreska de nankaigny Galatia, ary Titosy nakaigny Dalmatia.11Lioka rerika iany no miaraka aminà. Alao i Marka ary ento izy miaraka aminao satria ilaiko amin'ny asa izy. 12Tykiko de nalefako taigny Efesosy. 13Le lamba ze navelako takao Troasy miaraka amin'ny karpo, ento igny rafa tonga anao, ary reo boky, ndrindra reo mifogny hoditra.14Aleksandro le mpanefy varahina de namiharihary asa ratsy taminà. Ny Tompo de hamaly an'azy araka reo asany. 15Anao iany kô de tokony hitandrina ny tegnanao amin'azy, satria izy de magnohitra mafy reo teninay. 16Tamin'ny fiarovan-tegnako vôlôny, tsisy nanampy anà. Nefa kosa, ny ôla daôly niala anà. Ôka mbô tsy vôheloka am'zany zareo.17Fa ny Tompo de nitsangana takeo agnilako ary nampahery anà mbô, amin'ny alalako, ny fagnambarana de afaka tanterahana tsara, ary mbô afaka haregny reo Jentilisa daôly. Za de avotra tamin'ny vavan'ny liona. 18Ny Tompo de hagnavotra anà amin'ny asa ratsy daôly ary hamonjy anà amin'ny fanjakany aigny an-dagnitra. Ho an'Azy anie ny voninahitra mandrakizay doria. Amena.19Ataovo veloma i Prisila, i Akoila, ary reo fenakavian'i Onesiforosy. 20Erasto de nipetraka takao Korinto, fa i Trofimo de nilôsako fa narary akao Mileto. 21Ameo ze tsara ndrindra avy aminao mbô atongavana alôn'ny rirignina. Magnano veloma an'nao i Eolobolo, ary Poda iany kô, Lino, Klaodio, ary reo rahala daôly. 22Hiaraka amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

Titus

Chapter 1

1Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesosy Kristy, hagnamafy ny finon'ny olom-bôfidin'Andriamanitra sy ny fahafantarana ny marina ze magnaraka ny toe-pagna araka an'Andriamanitra, 2amin'ny fahatokisana ny fiaignana mandrakizay, ze nampagnantegnan'Andraimanitra, le tsy mandainga, hatry ny fahagola. 3Tamin'ny fotôna vôtondro, de nabôgnany ny teniny tamin'ny toriteny ze natokisany ho ampitaiko. Noho ny didin'Andriamanitra Mpomjy antsika de nataoko izany.4Ho an'i Titosy tegna zanako amin'ny finona hiombonantsika.Ny fasoavana sy ny fiadanan avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika. 5Ny antony nametrako an'nao taigny Kreta, de ny mba andeaminanao reo ra ze mbola tsy vita sy hanendry loholona isaky ny tanana ze efa nandidiko an'nao.6Ny loholona de tsy tokony hanatsigny miitsy, manambady vevavy tokana, managna zanaka mino tsy vôpanga mpagnaram-po amin'ny ratsy na maditra. 7Ilain'ny mpitandrina, amin'ny maha-mpagnano ny Asan'Andriamanitra, ny tsy fanagnantsigny tokony ho mahery fiteny na ho mpirehareha. Tsy tokony ho mora sosy, tsy mpimamo, tsy te-ady, ary tsy ôla te-vola.8Tokony te mampen-tragno vahiny, sakaizan'ny tsara. Tsy maintsy mahonon-tegna,marina, masina, ary mahafe ny tegna.9 Mitanà mafay ny hafatra ze efa nampenarina an'azy mba ahafahany mampahery ny sasagny amin'ny fampenarana tsara ary hagnitsy reo ze manoitra an'azy.10Fa maro ny ôla maditra, indrindra reo vôfora. Tsy misy lanjany ny tenin'izy reo. Mandiso fagnantegnana ny ôla ary mitarika ny ôla mankaigny amin'ny lalandiso zareo. 11Tsy maintsy sakanana zareo. Satria mampianatra ny tsy tokony hampenarina mba ahazaôna harena maloto.12Nisy leila raika tamin-jareo, ze hendry nilaza hoe: ' Ny Kretana de mpandainga mandrakariva, ratsy ary tegna biby mandeoza, kamo be tenda." 13Marina zany vôlaza 'zany, noho zany de anaro mafy zareo mba hatanjaka amin'ny finona.14Aza miraharaha ny anganonganon'ny Jiosy na reo didin'ny ôla ze mivily niala tamin'ny fahamarianana.15Raha am'reo ôla madio, de madio ny ra daôly. Fa ho an'reo ze maloto sy tsy mino kosa, de tsisy madio na ino na ino. Satria efa vôloto ny saigny sy ny fieritreretany. 16Milaza fa mahafantatra an'Andriamanitra zareo, kanefa mandà an'Azy amin'reo asany. Mankahala sy mpandika lalàna zareo. Tsy mahavita asa tsara na ino na ino.
Chapter 2

1Fa anao kosa, milazà ze mifagnaraka amin'ny fampenarana marina. 2Reo leila efa nahazo taona de tsy maintsy mahay mitondra tegna, maontina, mahonon-tegna, matanjaka amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, ary amin'ny faharetana.3Ôtran'zany kô reo vevavy efa nahazo taona de tokony hampiseho hatraigny ny tegnan-jareo ho tsara fitondran-tegna, fa tsy mpifosa. Tsy tokony ho andevon'ny divay be zareo. Tokony hampianatra ze tsara zareo 4mbô hampiofanana reo vevavy tanora ho tegnate ny vady aman-janagny manokana. 5Tokony hampianatra an-jareo hahonon-tegna, hadio, hikarakara tokantragno tsara, ary hankato ny vadiny zareo. Tokony hagnano an'zany ra daôly zany zareo mbô tsy ho vôheso ny Tenin'Andriamanitra.6Salan'zany, ampaherezo reo leila mbôla tanora mbô hahonon-tegna. 7Amin'ny fomba daôly de abôgnao ho modelin'reo asa tsara; ary rafa mampianatra anao, de manehoa fahitsiana sy fahamendrehana. 8Milazà hafatra salama sy tsisy tsigny, mbô ho megnatra ze magnohitra n'iza n'iza, satria tsy managna na ino naino ratsy ho lazaina momba antsika izy.9Reo mpanompo de tokony hankatoa ny tompony amin'ny ra daôly. Hagnano ze sitrapony fa tsy hifamaly amin'azy. 10Tsy tokony hifangalangalatra zareo. Fa kosa, tokony hampibôgna ny finoana tsara daôly zareo, mbô hampamendrika ny fampianarantsika momba an'Andriamanitra mpamonjy antsika amin'ny lafiny daôly.11F'efa nibôgna tamin'ôla daôly ny fasoavan'Andriamanitra. 12Mamianatra antsika handà ny tôtra tsy araka an'Andriamanitra sy ny filàn'zao tontolo zao zany. Mampianatra antsika hiaigna am-pihononana, am-pahamarinana, ary araka ny lalan'Andriamanitra am'zao vanim-potôna zao zany 13akeo am-pendrasantsika fatratra ze handraisantsika ny fanantenaa mafinaritra, ny fibônan'ny voninahitry ny Andriamanitsika lehibe sy Mpamonjy Jesosy Kristy.14Jesosy de nanolotra ny tegnany ho antsika mbô hagnavotra antsika hiala amin'ny tsy fagnaran-dalàna daôly sy hanadiovana, ho an'ny tegnany, ôla raika manokana ze tegna mazoto hagnano asa tsara.15Ambarao ary ento ampaherezina reo ra reo. Magnomeza fanitsina amin'ny faefana daôly. Aza avela hisy ôla hagnano tisy dikany an'nao.

Chapter 3

1Ampaherezo zareo hagneky ny mpanapaka sy reo manam-paefana, hankatô an'azy reo, ho vonona amin'ny asa tsara daôly. 2Lazao zareo tsy hagneso na iza na iza, hiala amin'ny adi-hevitra, hamely ny hafa hagnaraka ny lalany, ary hampiseho fagnetre-tegna amin'ny ôla daôly.3Fa talô ny tegnantsika de tsy nanantsaigna ary tsy nankatô. Vôtarika tamin'ny lalan-diso tsika ary nandevozin'ny filàna sy ny fafinaretana samihafa. Niaigna tao agnatin'ny faratsena sy ny fialonana tsika. Nankalaina zahay ary nifankahala tsika.4Fa rafa nibôgna ny hatsaram-pagnan'Andriamanita mpamonjy antsika sy ny fitiavany ny olombelona, 5de tsy tamin'ny asan'ny famarinana natôntsika zany, fa tamin'ny famindram-pony no namomjenu antsika. Izy de namonjy antsika tamin'ny alalan'ny fagnadiovan'ny fateram-baovao sy ny fagnavaozana tamin'ny Fanahy Masina.6Andriamanitra nandrotsaka betsaka tamintsika ny Fanahy Masina tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. 7Nataony zany mba, ho vômarina tamin'ny fasoavana, de ho tonga mpandova tsika amin'ny alalan'ny fatokisana ny fiaiganana mandrakizay.8Zany hafatra zany de mendri-pitokisana. Teko hilaza momba an'zany ra zany am-patokisana nareo, mba reo ze matoky an'Andriamanitra de hikasa hagnano reo asa tsara ze efa napetragny teo alôhan'jareo. Zany ra zany de sady tsara no mahasoa ho an'ny ôla daôly.9Fa elao ny adi-hevitra adala sy ny tantaram-pirazagnana ary ny fifandirana sy ny ady momban'ny lalàna. Reo ra reo de zava-pôgna sy tsy mahasoa. 10Aza magneky an'ze ôla miteraka fizarazarana akeo agnivonareo afaran'ny filazana indraika na indrôy, 11ary fantaro fa ny ôla otran'zany de niala tamin'ny lalana marina ary manota sy magnameloka ny tegnany.12Rafa nagniraka an'i Artema na Tykiko aigny aminareo za, de ave malaky ary mankanesa aty aminà aigny Nikopolia, ze nanapako hevitra andanena ny rirignina.13 Malaky ary alefaso Zena, le mpahay lalàna, sy Apolosy, mba tsy hanan-java-mahory izy reo.14Ny ôlontsika de tsy maintsy mianatra magnano asa tsara ze ilaina meika mba tsy hatonga an'jareo tsy hamokatra.15Reo ze miaraka aminà de magnano velona an'nareo. Magnanôva veloma an'reo ze te antsika amin'ny finôna. Ho aminareo daôly anie ny fasoavana.

Philemon

Chapter 1

1Paoly, vôgadra an'i Jesosy Kristy, sy ny rahala Timoty ho an'i Filemona, namana malalanay sy mpiara-miasa aminay, 2ary ho an'i Apia anabavinay, sy Arikipo miaramila namanay, ary ho an'ny fiangonana ze miangona akao an-dragnonao. 3Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.4Misaotra an'Andriamanitra hatrainy za. 5Manognona an'nao za amin'ny fivavahako. Efa nareigny ny amin'ny fitiavana sy ny finoana ze anananao akao am' Jesosy Tompo ary ho an'reo mpino daôly za. 6Mivavaka za mbô hatonga ny fiombonana amin'ny finoanao hahomby amin'ny falalana ny ra tsara daôly ze eo amitsika akao amin'i Kristy. 7Fa nanagna fifaliagna sy fiononana gedabe za nohon'ny fitiavanao, satria ny finoan'reo mpino de novelombelomina tamin'ny alalanao, ry rahala.8Noho zany, na de managna fasahina daôly akao amin'i Kristy aza za handidy an'nao mbô hagnano ze tokony hataoao, 9nefa nohon'ny fitiavana, de miantso an'nao kosa za - za, Paoly, leila antitra, ary am'zao fotôna zao de gadra ho an'i Jesosy Kristy.10Mangataka an'nao za ny amin'ny zanako Onesimosy, ze naterako tamin'ny fatorako. 11Fa izy de tsy mahasoa an'nao takeo aloha, fa am'zao fotôna zao izy de mahasoa an'nao sy za. 12Nalefako niverigna ho aigny aminao izy, izy le teko tokôtra. 13Magniry ny hahita an'azy miaraka aminà za, mbô afahany manompo anà ho an'nao, raha mbôla vôfatotra nohon'ny filazantsara za.14Nefa tsy te hagnano na ino na ino raha tsisy ny fanekena anà. Tsy teko an-kaneriterena ny asa soa ataonao fa an-tsitrapo. 15Angamba noho zany nnoo nisarahany taminao nandritra ny fotôna fohy, mbô hanagnanao an'azy mandrakizay. 16Tsy ho andevo fôgna izy, fa tsara mihôtra nohon'ny andevo, de rahala malala. Izy no malala ndrindra aminà, ary mihôtra lavitra ho an'nao, na akao amin'ny nofo na akao amin'ny Tompo.17Ka raha managna anà ho mpiara-miasa anao, de raiso sala anà izy. 18Raha magnano ny tsy manjary izy na mitrosa na ino na ino aminao, de ataovo ho anà zany. Za, Paoly, manoratra zao amin'ny tagnako: 19Za no hagefa aminao. Tsy milaza aminao hoe mitrosa ny tegnanao aminà anao. 20Yôny, ry rahala, ataovo mahazo tombony akao amin'ny Tompo za; ameo fitsaharana ny foko akao amin'i Kristy.21Ny toky momba ny fanekesanao, no soratako ho an'nao. Haiko fa hagnano mihôtra noho ze angatahako anao. 22Mandritra zany fotôgna zany iany, omano ho anà ny efitra fandraisam-bahiny, fa magnantena za fa amin'ny alalan'ny vavakao de hiverina aminao ndraika za.23Epafra, namako mpiara-migadra akao amin'i Jesosy Kristy, magnano veloma an'nao. 24Salan'zany kô Marka, Aristarko, Demasy ary Lioka, mpiara-miasa aminà. 25Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompotsika. Amena

Hebrews

Chapter 1

1Talô ela be Andriamanitra de niresaka tamin'ny razambetsika tamin'ny alalan'reo mpaminagny tamin'ny fotôna maro sy tamin'ny fomba maro. 2Fa am'zao andro farany zao, de niresaka tamintsika tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy Izy, ze notendreny ho mpandova ny ra daôly. Tamin'ny alalany iany kô no naharian'Andriamanitra zao tontolo zao. 3Izy no famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra, le endriky ny tegnany ndrindra. Na ny ra daôly aza de tazominy hiaraka amin'ny alalan'ny herin'ny teniny. Tafaran'ny nagnadiovany reo fahotana, de nipetraka takeo ambanin'ny tagnan'ankavanan'ny Lehibe aigny amin'ny avo izy.4Lasana agnambo salan'reo anjely Izy, satria ny agnarana nolovainy de tsara lavitra noho ny agnaran-jareo. 5Fa iza tam'reo anjely ma no mbô nilazan'Andriamanitra hoe: "Zanako anao, tonga rainao Za gniany," Ary ndre hoe: "Ho ray ho an'azy Za, ary izy ho zanaka ho Anà?"6Ary kô, rafa nitondra ny lahimatoa taketo am'zao tontolo zao Andriamanitra, de nitare Izy hoe: "Reo anjelin'Andriamanitra daôly de tsy maintsy midera an'Azy." 7Momba an'reo anjely de nitare Izy hoe: "Izy le raika nagnano reo anjeliny ho fagnahy, ary reo mpanompony nataony lelan'afo."8Fa momban'ny Zanaka de ozy hoe: "Ny seza fendrianano, ry Andriamanitra, de mandrakizay ary ho doria. Ny tehin'ny fanjakanao de tehin'ny fitsarana. 9Nahita ny fahamarinana anao ary nankahala ny fandikan-dalàna. Noho zany Andriamanitra, Andriamanitrao, de nagnosotra an'nao tamin'ny menaky ny hafalena mihôtra noho reo mpiara-de aminao."10"Taigny am-pendohana, ry Tompo, Anao no namorona ny fototry ny tany. Reo lagnitra de asan'ny tananao. 11Ho levona zareo, fa Anao hanohy. Ho rivotra salan'ny tapa-damba zareo. 12Hamoritra an-jareo salan'ny fitadena anao, ary hovana salan'ny poti-damba zareo. Fa anao de salan'zany, ary ny taonanao de tsy hanam-pataperana."13Fa iza tam'reo anjely no nitinenan'Andriamanitra tamin'ny fotôna daôly hoe: "Mipitrà akeo amin'ny tagnana ankavanako mandra-pagnanôvako reo favalonao ho seza ho an'ny tongotrao?" 14Reo anjely daôy tsy fagnahy manompo, sy nalefa hiahy reo ze handova ny famonjena?

Chapter 2

1No zany tsika de tsy maintsy mitandrina bebe kokô am'ze reignintsika, mba tsy hagnara-drenirano am'zany tsika.2Fa raha marina ny hafatra ze notaravina tam'alalan'reo anjely, ary ny fandrikan-dalàna daôly sy ny tsy fankatoavana de mandray sazy ara-drariny, 3de ahôna ary no hafantsika milefa raha tsy miraharaha an'zany famonjena ze nambaran'ny Tompo vôlôny sy namafisin'reo ze nareigny an'zany tamintsika. 4Tam'io fotôna io iany Andriamanitra de nagnaporofo an'zany tam'famantarana, fahagagana, ary asa mahery samihafa, ary tam'fizarana reo fagnomezam-pasoavan'ny Fanahy Masina araka ny sitrapôny.5Fa tsy tam'anjely no nampagneken'Andriamanitra an'zao tontolo zao ho avy, momba an'ze resantsika. 6Fa kosa, nisy ôla nitsangana vavolombelona an'zany taigny ho aigny, magnano hoe: "Ino ny ôla, no misaigna an'azy enao? Na ny zanak'ôla, no mikarakara an'azy enao?7Enao de nagnano ny ôla ambany kely no reo anjely; nosatrônao satro-boninahitra tam'voninahitra sy dera izy. [Fanamarihana: Ny dikan-teny sasagny talô de miampy hoe: "Ary enao nametraka an'azy ambonin'reo asan'ny tagnanao."] 8Ny ra daôly de nampagnikenao akeo ambanin'ny tongony. Fa ho an'azy no nampagniken'Andriamanitra ny ra daôly. Tsy namela na ino na ino izy ka tsy nampagnikeny an'azy. Fa am'zao tsika de tsy mbola mahita ny ra daôly nampagnikena an'azy.9Fa tsika mahita le tokona ze nataony ambany no reo anjely nandritry ny fotôna fohy: Jesosy, ze, non'ny fijaleny sy ny fafatesany, de nosatrôna satro-boninahitra tam'voninahitra sy dera. Ka am'zao tam'alalan'ny fasoavan'Andriamanitra, no nagnandramany ny fafatesana ho an'ny ôla daôly. 10Fa mety am'Andriamanitra zany, satria ny ra daôly de misy ho an'Azy ary am'alalany, mba hitondra zanaka betsaka ho aigny am'voninahitra. Mety aminazy ny hatonga ny mpitarika ny famonjena an'azy reo ho feno am'alalan'ny fijaleny.11Fa na ny ôla ze magnamasina na reo re vômasina de managna lôrano raika. No zany de tsy menatra an'azy reo hoe rahalà Izy. 12Ozy Izy hoe: "Hagnambara ny agnaranao am'reo rahalàko Za, hihira ny momba an'nao avy akao agnatin'ny fivondrognana Za."13Ary kô, "Hatoky an'azy za." Ary kô: "Indro, aketo za sy reo zanaka ze nomen'Andriamanitra Anà." 14No zany, satria nofo aman-drà reo zanak'Andriamanitra, de nizara ra salan'zany niaraka tam-jareo iany kô Jesosy, mba ho am'alalan'ny fafatesana no hagnafoagnany ny tôkana ze managna ny herin'ny fafatesana, de ny devoly zany. 15Zany de mba hagnafahany reo daôly ze non'ny tatra ny fafatesana de niaigna ny fiaignan'izy daôly reo takao am'fagnadevozana.16Fa mazava ho an'azy fa tsy reo anjely no vonjeny; fa kosany, ny taranak'i Abrahama. 17No zany de mendrika an'Azy ny atao ôtran'reo rahalàny am'fomba daôly, mba ho mpisoronabe feno famindram-po sy fatokisana Izy am'fifandraisana am'reo ran'Andriamanitra, ary mba hitondra momban'ny fambilana reo fahotan'ny ôla.18 Satria Jesosy miintsy no nijaly sy nalaigna fagna, de afaka magnampy reo ze alaim-pagna Izy.
Chapter 3

1No zany, ry rahalà masina, nizara ny fagnatsovan' ny lagnitra nareo. Saigno ny momban'i Jesosy, ny apostoly sy ny mpisorombe ze eketsika. 2Izy de natoky an'Andriamanitra, ze nanendry an'azy, ôtran'i Mosesy ze natoky tao andragnon'Andriamanitra fôgna kô. 3Fa Jesosy de fa natao mendrika ny hanamboninahitra gedabe mihôtra an'i Mosesy, satria ze magnorina ny tragno no manan-kaja bebe koko no le tragno nataony. 4Fa ny tragno daôly de nisy ôla nagnorina, fa ny tokana ze nagnorina ny ra daôly de Andriamanitra.5Amin'ny lafiny raika, de natokisana salan'ny mpanompo takao andragnon'Andriamanitra irai-manontolo i Mosesy. Izy no vavolombelona momba an'reo ra ze tokony efa nolazaina amin'ny ho avy. 6Fa Kristy no Zanaka miandraikitra ny tragnon'Andriamanitra. Tsika no tragnony raha tô ka mitana mafy ny herim-po sy ny fatokintsika ntsika.7Zany de salan'ny lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Ngiany raha mareigny ny feony anareo8 de aza magnamafy ny fonareo ôtran'ny ditra nataonareo taigny agnefitra tamin'ny fotônan'ny fitsapana.9Ôtran'zany ny razambenareo rafa nanohitra Anà tamin'ny fitsapana, nandritry ny efapolo taona ary de tazagny zareo ny asako.10 Tam'zany de tsy faly tamin'io taranaka io Za. 11Vôfitaka mandrakariva ho aigny amin'ny lalandiso tao ampony zareo. Tsy nafantatra ny lalako izy. Ary zany no nifantàko tamin'ny fasosorana hoe: "Tsy hiditra akao amin'ny fitsaharako velively miitsy zareo.12Mitandrema, ry rahala, mba tsisy aminareo no de raika aza ka hanagna fo ratsin'ny tsy finona, fo ze miala amin'Andriamanitra velona. 13Fa mifagnanara, sy mifampahereza isan'andro, raha mbola misy ny antsovina hoe: "Ngiany," mba tsy hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny fetaky ny fahotana.14Fa ntsika de efa tonga mpiara-miasa am'i Kristy raha tô ka mitana mafy ny fahatokisantsika an'Azy hatraigny ampendohana ko hatraigny amin'ny fefarana.15 Fa ny momba an'zany de efa vôlaza hoe: "Ngiany, raha mareigny ny feony anareo, de aza magnamafy ny fonareo salan'ny amin'ny fanoherana."16Fa iza ma no efa nareigny an'Andriamanitra ka mbola naditra? Fa tsy reo ze nivôka avy taigny Egypta niaraka tamin'i Mosesy ma zany? 17Iza no nampahasosy an'azy nandritry ny efapolo taona? Tsy reo ze nagnota ihany ma? ka niampatrampatra taigny agnefitra ny fatin-jareo? 18Hoan'iza no nefantàny fa tsy hiditra akao amin'ny fitsaharany zareo, raha tsy ho an'reo ze tsy nagneiky an'Azy? 19Tazantsika fa tsy afaka niditra takao amin'ny fitsaharana zareo noho ny tsy finona.

Chapter 4

1Noho zany, ôka hitandrina tsara tsika mbô tsisy aminareo ny tsy afaka hatratra ny teny fampanatenana navela ho an'nareo mbô hidiranareo akao amin'ny fitsaran'Andriamanitra. 2Fa tsika de nagnambarana ny vaovao mafaly salan-jareo. Fa zany hafatra zany de tsisy tombony ho an'reo ze tsy nitambatra takao amin'ny finoana niaraka tam'reo ze nankatoa. (Fagnamarihana: ny dikanteny sasagny de mivaky ôtran'zao: "Fa zany hafatra zany de tsisy tombony ho an'reo ze nandregny an'azy tamin'ny tsy finoana.")3Fa tsika ze nino de reo ze hiditra am'zany fitsaharana zany, araka ze efa nolazainy hoe: "Salan'ny nianianako tamin'ny fatezerako, de tsy hiditra velively akao amin'ny fitsaharako zareo." Fa na zany kô aza, ny asa famoronany de vita tamin'ny fanorenana an'zao tontolo zao. 4Fa izy nitare taigny ho azy momban'ny andro fafito hoe: "Andriamanitra nitsahatra tamin'ny andro fafito tamin'ny asany daôly." 5Ary mbô nitare ndre izy hoe: "Zareo de tsy hiditra velively akao amin'ny fitsaharako."6Noho zany, satria mbôla vôtokana ho an'ny sasagny ny fidirana akao amin'ny fitsarany, ary satria betsaka reo Israelita nandregny ny vaovao mafaly tsy niditra takao nohon'ny tsy fankatoavana, 7de nametraka andro raika ndre nantsovigna hoe: "Gniany " Andriamanitra. Tafaran'ny andro betsaka, de niresaka tamin'ny alalan'i Davida Izy, ôtran'ze vôlaza melô hoe: "Gniany raha mandregny ny feony anareo, de aza manamafy ny fonareo."8Fa raha Josoa no nanome fitsaharana azy ireo, dia tsy niresaka momban'ny andro iray hafa Andriamanitra. 9Noho izany dia mbola misy sabata fitsaharana voatokana ho an'ny vahoakan' Andriamanitra. 10Fa izay miditra ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra dia nitsahatra tamin'ny asany ihany koa, tahaka ny nataon'Andriamanitra tamin'ny Azy. 11Noho izany aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, mba tsy hisy na iray aza ho tafalatsaka amin'ny karazana tsy fankatoavana izay nataon'izy ireo.12Fa ny tenin'Andriamanitra de velona sy mandaitra ary maranitra nohon'ny sabatra roa lela. Zany de magnidrona hatramin'ny fagnasarahana ny aigna amin'ny fagnahy, sy ny tonona amin'ny tsoka mihitsy aza. Ka afaka fantarina ny eritreritry ny fo sy reo fikasana. 13Tsisy famoronana niafina takeo agnatrehan'Andriamanitra. Fa kosa, ny ra daôly de miharihary sy misokatra akeo amason'le raika ze tsy maintsy hampamoahintsika.14Noho zany, satria tsika de managna mpisoronabe geda ze lasa namaky ny lagnitra, Jesosy Zanak'Andriamanitra, de ande tsika hifikitra mafy amin'ny finoantsika. 15Fa tsika de tsy managna mpisoronabe ze tsy matsapa fangoràna amin'ny falementsika. Fa kosa, tsika de managna ôla raika ze efa nalaim-pagnahy tamin'ny fomba daôly salan'ny antsika, saingy Izy tsisy ôta. 16Ôka ary tsika ande amin'ny fatokina ho aigny amin'ny seza fendrianan'ny fahasoavana, mbô handraisantsika ny famindram-po sy hahita fasoavana hagnampy amin'ny fotôna ilàna an'zany.

Chapter 5

1Fa ny mpisorognabe daôly, vôfidy avy tamin'ny ôla, de notindrena mba hiasa amin'ny agnaran'ny ôla am'reo ra makasika an'Andriamanitra, ka mba agnolorana fagnomezana sy fagnatitra ho an'ny ota. 2Izy de afaka mifagnaraka tsara amin'ny tsy mahalala sy ny maniasia satria izy tegnany kô de vôdidin'ny falemena. 3No zany, izy kô de takena hanolotra sorogna ho an'reo otany manokana, salan'ny nataony ho an'reo otan'ôla.4Tsy ho an'ny tegnany no handraisan'ny ôla an'zany voninaitra zany. Fa kosany, izy de nantsovin'Andriamanitra, salan'i Arona. 5De ôtr'zany, Kristy tsy mba nagnome haja ny tegnany miintsy tamin'ny fagnanoovany ny tegnany ho mpisorogna be. Fa kosany, le raika ze niresaka tamin'azy niteny hoe: "Zanako Enao; ngiany de tonga Rainao Za."6De ôtran'zany ko no nolazainy taigny amin'ny toeran-kafa hoe: "Enao de mpisorogna mandrakizay araka ny fomban'i Melkizedeka."7Tam'reo andron'ny nofony, Kristy nagnolotra vavaka sy fangatana niaraka tamin'ny fitaraignana mafy sy ranomaso tamin'Andriamanitra, de raika ze afaka mamonjy an'Azy amin'ny fafatesana. Reigniny Izy non'ny fangorany. 8Na de zanaka aza Izy, de nianatra fankatoavana tam'reo ra niaretany.9Natao ho tonga lafatra Izy ka tonga, ho an'ny ôla daôly ze mankatô an'Azy, le loharanon'ny famonjena mandrakizay. 10De notendren'Andriamanitra salan'ny mpisorogna Izy araka ny fomban'i Melkizedeka. 11Managna ra koragnina betsaka momban'i Jesosy zahay, fa sarotra ny manazava an'zany hatramin'ny naha gognona ny sofignareo.12Fa am'zao fotôna zao de tokony ho mpampianatra anareo, nareo de mbola mila ôla hampianatra an'nareo reo fitsipika fototry ny hafatr'Andriamanitra. Ronono no ilainareo, fa tsy ventin-kanina! 13Fa ny ôla ze misotro ronono fotsiny de tsy ampy traikefa amin'ny hafatry ny famarinana, satria izy de mbola zaza kely. 14Fa ny ventin-kanina de ho an'reo leibe. Reo de ze vôhofagna tamin'ny fagnavana ny tsara amin'ny ratsy ny fatakarany no ny famatoran-jareo.

Chapter 6

1Noho zany, ande havelantsika ny fentombohan'ny hafatr'i Kristy ka handroso amin'ny famatorana. Ande tsika tsy hametraka ndre ny fototry ny fibebahana nohon'ny asan'ny maty sy ny finoana an'Andriamanitra, 2na ny fototry ny fampenarana momban'ny batisa, ny fametran-tagnana, ny fitsanganan'reo ôla maty, ary ny fitsarana mandrakizay. 3Hagnano an'zany fôgna kô tsika raha avelan'Andriamanitra.4Fa tsy hay atao ho an'reo ze efa noazavaina ndre mande azany, ze nagnandrana ny fagnomezana avy aigny an-dagnitra, ze nandray ny Fanahy Masina, 5ary ze nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy reo herin'ny vanim-potôna ho avy, 6saingy avekeo de lavo - tsy hay atao ny mamerina an-jareo amin'ny fibebahana ndre. Zany de satri nomboan-jareo ho an'ny tegnan-jareo ndre ny Zanak'Andriamanitra, ary nalainy baraka ampabemaso.7Fa ny tany ze mitroka ny orana mateti-piavy am'zany, sy ze mamokatra reo ra maniry ilan'reo ôla ze niasana ny tany - io no tany ze mandray fitahiana avy amin'Andriamanitra. 8Fa raha mamokatra tsilo zany, de tsisy ilàna an'azy ary efa ankekin'ny fagnozonana. Ny fiafaran'zany de ampiretina.9Fa zahay de resy latra ny am'reo ra tsara tokoa momba an'nareo, ry malala, ra ze makasika ny famonjena, na de miteny salan'zany aza zahay. 10Fa Andriamanitra de tsy mbô tsy marina ka hagnadino ny asanareo sy ny fitiavanareo ze nabôgnanareo nohon'ny agnarany, satria anareo de nanompo reo mpino ary mbôla magnompo an-jareo hatraigny.11Magniry mafy zahay mbô hampiseho fazotoana salan'zany hatramin'ny faragny ny tsiraikaraika aminareo ho an'ny antoky ny fatokiana feno. 12Zany de mbô tsy ho lasa kamo anareo, fa ho mpaka-tahaka an'reo ze mandova reo fampagnantenana amin'ny finoana sy faharetana.13Fa tamin'Andriamanitra nagnano ny fampagnantenany tamin'i Abrahama, de nianiana tamin'ny Tegnany Izy, rafa tsy afaka nianiana tamin'ny ôla geda kokoa. 14Ozy hoe: "Za de hitahy an'nao tokoa, ary tegna hampabetsaka an'nao." 15Tam'zany fomba zany, de nahazo ze nampagnantenaina tafaran'ny niandrasany tamim-paretana Abrahama.16Fa ny ôla de mianiana amin'ny ôla ze geda kokoa noho ny tengna-jareo. Isaky ny tapitra ny fifamalin-jareo, de misy voady raika natao ho fagnamafisana. 17Rafa nagnapa-kevitra ny hampibôgna mazava kokoa tam'reo mpandovan'ny fampagnantenana ny tsy fiovan'ny kalitaon'ny tanjony Andriamanitra, de nameny antoka tamin'ny voady zany. 18Nataony zany mbô ho amin'ny alalan'ny ra tsy azo ovana anakirôy - ze tsy hain'Andriamanitra ny mandainga am'zany - de hanagna fampaherezana matanjaka mbô hitazomana mafy ny fatokiana ze napetraka takeo agnolôntsika, tsikana, ze nandositra mbô hanagna felofana.19Managna an'zany toky zany tsika ho ferovagna sy vatofantsika azo hiankinana ho an'ny fagnahintsika, fatokiana ze miditra akao amin'ny fitôrana agnaty akao ambadiky ny lamba. 20Jesosy niditra takao am'zany fitôrana zany ôtran'ny mpalô lalana ho antsika, ka tonga mpisoronabe mandrakizay magnaraka ny fomban'i Melkizedeka.

Chapter 7

1Melkizedeka zany, mpanjakan'i Salema, mpisoron'Andriamanitra Avo ndrindra, ze nifanena tam'i Abrahama daôly niverigna avy nandresy reo mpanjaka ary nitahy an'azy. 2Izy no namen'i Abrahama ny ampafolon'ny ra daôly. Ny agnarany hoe: "Melkizedeka" de midika hoe "mpanjakan'ny famarinana." Ny agnarany hafa de "mpanjakan'i Salema," zany de: "mpanjakan'ny fiadanana." 3Izy de tsy manan-dray, sy tsy manan-dreny, tsy managna razambe, ary tsy managna fetombohan'reo andro sady tsy managna fefaran'ny fiaignana. Fa kosany, mitovy amin'ny Zanak'Andriamanitra izy, satria mijanona ho mpisorogna mandrakizay.4Jereo ny haleben'io leilà io. Ny razambentsika Abrahama de nagnome ny ampafolon'reo ra ze azony tam'ady. 5Am'lafigny raika, reo zanaka lahin'i Levy ze mandray ny fisorognana de managna baiko avy am'lalàna mba hagnangona ny ampafolon-karena avy aigny am'reo ôla, zany de avy am'reo rahalan'jareo, na zany aza zareo, iany kô, de avy am'vatan'i Abrahama. 6Fa am'lafiny tokana, Melkizedeka, ze tsy vôsoritra avy am'jareo ny taranany, de nandray ampafolon-karena avy am'i Abrahama, ary nagnome tsodrano an'azy, le tokana ze nagnana reo fampanantenana.7Tsisy fandavana fa ny ôla ambany ndrindraka de amen'ôla agnambo ndrindraka tso-drano. 8Am-zany tranga zany, ny ôla mety maty de mandray ampafolon-karena, fa am'ty tranga ty de vôporofo fa mbola velona izy. 9Ary am'fomba firesaka, Levy ze nandray ampafolon-karena, de nandô ampafolon-karena tam'alalan'i Abrahama iany kô, 10satria Levy de takao agnatin'ny tegnan'ny razambeny rafa nihaogna tam'i Abrahama i Melkizedeka.11Am-zao raha azo atao am'alalan'ny fisorognana levitika ny fatanterahana (fa takao ambanin'zany ny ôla no nandray ny lalàna), de filàna bebe kokô ino no mety nisy ho an'ny mpisorogna hafa mba hitsanganana araka ny fomban'i Melkizedeka, ary tsy raisina araka ny fomban'i Arona? 12Fa rafa novàna ny fisorognana, de tsy maintsy ovàna iany kô ny lalàna.13Fa le raika ze nilazana ny momban'reo ra reo de an'ny foko hafa, ze tsisy ôla manompo akeo am'alitara miintsy. 14Fa mazava am-zao, fa avy am'i Joda no naterahan'ny Tompontsika, foko ze tsy nolazain'i Mosesy miintsy ny makasika reo mpisorogna.15Ze lazaintsika d'efa mazava kokô raha misy mpisorogna hafa mitsangana amin'ny endrik'i Melkizedeka. 16Tsy avy tam'fototry ny lalànan'ny taranaky ny nofo no hatonga an'azy ho mpisorogna, fa kosany avy tam'fototry ny herin'ny fiaignana tsy mety levona. 17Fa ny Soratra Masina de mitsangana momba an'azy hoe: Enao de mpisorogna mandrakizay araka ny fomban'i Melkizedeka.18Fa nisy fagnafoanana ny didy teo alô satria nalemy sy tsisy dikany zany. 19Fa tsisy ra nataon'ny lalàna tonga lafatra. Kanefa misy ny fampidirana fahatokiana tsara kokô ho an'ny ho avy ze hagnatonantsika an'Andriamanitra.20Tsy nitranga zany raha tsisy ny fandraisana fianianana. Am'lafiny raika, reo hafa reo de tonga mpisorogna tsy nila fianianana. 21Fa am'lafiny raika hafa, ty raika ty, Jesosy de tonga mpisorogna tam'alalan'ny fianianana nataon'le nilaza taminazy hoe: "Ny Tompo de nianiana ary tsy hiova amin'ny heviny hoe: 'Enao de mpisorogna mandrakizay."'22Tam'alalan-zany iany kô Jesosy no nagnome antoka ny fanekem-pihavanana tsara kokô. 23Am'lafigny raika, maro no tonga mpisorogna satria ny fafatesana no magnakana an'jareo hanohy. 24Am'lafigny raika hafa, satria Jesosy mipetraka mandrakizay, de managna fisorognana mandrakizay izy.25No zany izy iany kô de afaka mamonjy tanteraka reo ze magnatona an'Andriamanitra am'alalany, satria izy de miaigna fôgna mba hagnelagnelagna ho an'azy reo. 26Fa ny mpisorognabe salan'zany de mety ho antsika. Izy de tsy manam-pahotana, tsy manan-tsiny, madio, nosarahana tam'reo mpagnota, ary tonga agnambo no reo lagnitra.27Tsy mila izy, tsy salan'reo mpisorognabe, hanolotra sorogna isan'andro, ny vôlôny ho an'reo fahotany manokana, ary avy akeo ho an'reo fahotan'ny ôla. Efa nagnano an'zany ndray mande ho an'ny daôly izy, rafa nanolotra ny tegnany. 28Fa ny lalàna manondro ny ôla ze managna falemena ho mpisorognabe. Fa ny tenin'ny fianianana, ze tonga tafaran'ny lalàna, de nanendry Zanaka là, ze natao tonga lafatra mandrakizay.

Chapter 8

1Ary ny fototry ny ra lazainay de zao: Tsiaka de managna mpisorognabe ze nipetraka teo antanan-kavanan'Andriamanitra ny seza fendrianan'le be voninahitra aigny an-dagnitra. 2Izy no mpagnano ny fanompoam-pivavahana akao amin'ny tôrana masina, de le taberinakely marina ze naorin'ny Tompo ho an'azy, fa tsy an'ôla.3Fa ny mpisorognabe daôly de notendrena hagnatitra fagnomezana sy sorogna. Am'zany de tsy maintsy managna ra aterina kô. 4Ary raha takeo ambon'ny tany Kristy, de tsy mba mpisorogna miitsy Izy, satria misy rahateo reo ze magnatitra ny fagnomezana araka ny lalàna. 5Zareo de magnano ny fanompoam-pivavahana akao amin'ny tabernakely ze tandindogna sy aloky ny ra aigny an-dagnitra. Zany de ôtran'ny nampitandreman'Andriamanitra an'i Mosesy raha igny izy hande hagnambôtra ny tabernakely igny. Ozy Andriamanitra hoe: "Tandremo mba hataono ôtran'ny endrika ze nabognako an'nao taigny an-tanety ny ra daôly."6Fa am'zao Kristy de efa nahazo asa fanompoana tsara lavitra noho an'ireny. zany de noho izy mpagnelagnelagna amin'ny fanekena tsara indrindra, ze mifototra amin'ny fampagnantegnana tsara. 7Fa raha tsy nanan-tsigny le fanekena vôlôny, de tsisy antony nilàna an'le fanekena faharoa.8Fa rafa natazagna tsigny tamin'ny ôla Andriamanitra, de ozy Izy hoe: "Ndre ho avy ny andro— ozy ny Tompo— za de hagnana fanekena vaovao amin'ny taranak'Israely sy ny olon'i Joda za. 9De tsy nitandrina ny fanekena nataoko tamin'ny razan-jareo tamin'ny andro ze nitondrako an'azy reo niala avy taigny amin'ny tany Egypta. Fa zareo de tsy niaigna tao amin'ny fanekena, ary Za de tsy niraharaha an'azy reo— ozy ny Tompo.10Fa izao no fanekena ze ho ataoko amin'ny ôlon'Israely am'zany andro zany — ozy ny Tompo. De ataoko akao antsaignan-jareo ny lalàko, ary hosoratako akao am-pon-jareo kô izany. Ary Za ho Andriamaniny, ary izy reo ho oloko.11Ary de tsy hampianatra ny mpiara-monina sy ny rahalany avy zareo, ka hitare hoe: "Fantaro ny Tompo." Fa hahafantatra Anà daôly ry razeo, manomboka amin'reo kely indrindra ka hatramin'ny geda indrindra. 12Fa Za de hamindra fo amin'ny tsy fahamarinan-jareo, ary tsy hahatsiaro reo fahotany ntsony."13Amin'ny fitaravana hoe: 'vaovao," de nagnano ny fanekena vôlôny ho talô izy, ary izay efa lany andro sy antitra de efa ankeiky ho levona.

Chapter 9

1Ary na de ny fanekena vôlôny aza de nanagna fitsipi-pivavahana sy fitôrana masina aketo an-tany. 2Fa nisy tabernakely ze nomanina. Ny efitra vôlôny, ze nisy ny fitôran-jiro, ny latabatra, ary ny mofon'ny fanatrehana, de nantsôvina hoe fitôrana masina.3Akao ambadiky ny lamba faharôy de nisy efitra raika hafa, antsôvina hoe tôrana masina ndrindra. 4Nisy alitara volamena ho an'ny ditin-kazo magnitra zany. Nisy fiaran'ny fagnekena iany kô, ze rakotra volamena tanteraka. Takao agnatin'zany de nisy siny volamena ze nisy ny mana, ny tehin'i Arona ze nagniry, ary reo vato fisaky ny fanekena. 5Aigny agnambon'ny fiaran'ny fanekena, de kerobima be voninatra betsaka no magnaloka ny sarona fagnaronana, ze tsy afaka taravinay amin'ny antsipiriny am'zao fotôna zao.6Rafa vôomagna reo ra reo, de niditra takao amin'ny efitra ivelan'ny tabernakely fôgna reo mpisorogna mbô hagnano ny fanompon-jareo. 7Fa ny mpisoronabe iany no niditra ndray mande isan-taona takao amin'ny efitra faharôy, ary niaraka tamin'ny rà ze natolony ho an'ny tegnany sy ho an'reo fahotana tsy ninian'reo ôla.8Nabôgnan'ny Fanahy Masina fa ny lalana mankao amin'ny tôrana masina ndrindra de mbôla tsy nabôgna raha mbôla mitsangana ny tabernakely vôlôny. 9Zany de fagnoharana ho an'zao fotôna ankehitriny zao. Reo fagnomezana sy reo sorogna ze atolotra am'zao fotôna zao de samy tsy afaka hatanteraka ny fieritreretan'ny mpivavaka raika. 10Mifantoka amin'ny sakafo sy ny zava-pisotro sy karazam-pomba fidiovana betsaka fotsiny reo. Reo daôly reo de fitsipika ho an'ny nofo avokoa ze namena mandra-pagnamboarana ny fandaminana vaovao.11Kristy de niavy salan'ny mpisorognaben'reo ra tsara ze tonga. Nande tamin'ny alalan'ny tabernakely geda kokoa sy lafatra kokoa ze tsy nataon'ny tagnan'ôlombelona Izy, ze tsy an'zao tontolo vôary zao. [Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny de mivaky ôtran'zao: "Jesosy de tonga ôtran'ny mpisorognaben'reo ra tsara ze ho avy."] 12Tsy tamin'ny ràn'reo osy lahy sy vantotr'omby vavy zany, fa tamin'ny ràny manokana ze niditra takao amin'ny tôrana masina ndrindra ndre mande monja ho an'ny daôly ary nitambatra tamin'ny famonjena antsika mandrakizay.13Fa raha ny ràn'reo osy sy reo omby lahy ary ny famafazagna ny lavenon'ny vantotr'omby vavy akeo am'reo ze lasa maloto no manokana an-jareo akeo amin'Andriamanitra ho fagnadiovana ny nofon-jareo, 14ôtran'ny akôry ny fihoaran'ny ràn'i Kristy, ze nagnolotra ny Tegnany tsisy kilema ho an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny Fagnahy mandrakizay, hagnadio ny fieritreretantsika hiala amin'ny asa maty mbô hanompôna an'le Andriamanitra velona? 15Noho zany antony zany, de Izy no mpanalalana ny fanekena vaovao. Zany de, satria nisy fafatesana raika nibôgna mbô hagnafaka an'reo ze ambanin'ny fanekena vôlôny amin'ny fahotan-jareo, de handray ny fampagnantenan'ny lova mandrakizay reo ze vôantso.16Fa raha misy didim-panagnana, ny fafatesan'le ôla ze nagnano an'zany de tsy maintsy vôporofo. 17Fa rafa misy fafatesana fôgna vô manan-kery ny didim-panagnana, satria tsy manan-kery zany raha ôtra ka mbôla velona le ôla ze nagnano an'zany.18Ka na de ny fanekena vôlôny aza tsy natao raha tsisy rà. 19Fa rafa nagnome ny didy daôly takao amin'ny lalàna tam'reo ôla daôly Mosesy, de naka ny ran'reo omby sy reo osy, niaraka tamin'ny rano, volon'ondry jaky mena, sy hysopa izy, ary namafy takeo amin'ny boky sy ny ôla daôly. 20Ary izy nitare hoe: "Ty no ràn'ny fanekena ze nandiden'Andriamanitra ho an'nareo."21Ôtran'zany kô, de namafy rà takeo amin'ny tabernakely sy reo fitôran-javatra daôly ampiasaina amin'ny fanompôna izy. 22Araka ny lalàna, de saika ny ra daôly no vôdio tamin'ny rà. Raha tsisy fandatsahan-drà de tsisy famelan-keloka.23Noho zany de nilaina ny alok'reo ra aigny an-dagnitra mbô ho vôdion'ny soron'reo biby reo. Na zany aza, reo ran'ny lagnitra mitsy no nila nodiovina tamin'ny sorogna tsara kokoa. 24Fa Kristy de tsy niditra takao amin'ny tôrana masina ndrindra ze nataon'ny tagnana, ze tandindon'le raika ze tegna izy fôgnany iany. Fa kosa niditra taigny an-dagnitra mitsy Izy, mbô hibôgna akeo amin'ny fagnatrehan'Andriamanitra ho antsika am'zao fotôna zao.25Tsy nande takao mbô hagnolotra ny tegnany imbetsaka Izy, salan'ny fagnanon'ny mpisoronabe, ze miditra akao amin'ny tôrana masina ndrindra isan-taona niaraka tamin'ny ràn'ny hafa. 26Fa raha zany no ra nitranga, de nila nijaly imbetsaka nanomboka tamin'ny fagnorenana an'zao tontolo zao Izy. Fa am'zao fotôna zao de ndray mande monja no nampisehoana an'Azy mbô hagnala ny fahotana amin'ny alalan'ny soron'ny tegnany iany.27Efa natao ho foaty ndray mande ny ôla daôly, ary afaran'zany no ho avy ny fitsarana. 28Salan'zany iany kô, Kristy, ze natolotra ndray mande mbô hagnala reo fahotan'ny maro, de hibôgna fanindrôny, tsy handraraha ny ota, fa ho an'ny famonjena reo ze miandry an'Azy amim-paharetana.

Chapter 10

1Fa ny lalàna de alok'reo ra tsara ho avy fogna, fa tsy tegna endrik'reo ra reo. Reo ze magnatogna an'Andriamanita de tsy afaka ny ho lafatra amin'ny alalan'ny sorogna mitovy an'zany entin'reo mpisorogna isan-taona. 2Raha zany de tsy efa nijanona ny nanolotra an'regny sorogna regny ma zareo? Am'zany ra zany, raha efa nodovina indraika fogna izy reo, de tsy mba hafantatra ny ota mitsy reo mpivavaka. 3Fa am'reo sorogna reo de misy fampatsahivina reo ota isan-taona. 4Satria ny ràn'ny omby là sy osy là de tsy mavita magnala reo ota.5Rafa tonga teto am'zao tontolo zao Kristy, de niteny Izy hoe: "Tsy sorogna na fagnatitra no nilainareo. Fa kosany, vatagna ze efa nomaninareo ho Anà. 6Ny fagnatitra dorôna na sorogna ho an'ny ota de tsy nafaly an'nao. 7Ary ozy za hoe: "Zahao, ty Za, araka ze vôsoratra momba Anà akao amin'ny Soratra Masina, mba hagnano ny sitrakareo."8Vôlôny niteny izy hoe: "Tsy sorogna, na fagnatitra, na fagnatitra nodorana, na sorogna ho an'ny ota no nirinareo. Ary Enao tsy nifaly tao am'izy regny." 9Regny de sorogna ze atolotra araka ny lalàna. Ary niteny izy hoe: "Zahao, ty Za hagnano ny sitrakareo." Izy de nagnala ny fampiharana vôlôny mba hametrana ny fampiharana faroa. 10Tam'zany sitraka zany, tsika de nohamasinina tamin'ny alalan'ny fagnatitry ny vatan'i Jesosy Kristy indraika monja.11Amin'ny lafiny raika, ny mpisorogna daôly de mijoro isan'andro manompo an'Andriamanitra. Izy de magnolotra sorogna mitovy hatraigny, na zany aza zareo de tsy afaka magnala an'reo ota miintsy. 12Amin'ny lafiny raika hafa, Kristy de nagnolotra sorogna raika ho an'ny ota mandrakizay, nipetraka teo an-tagnan'ankavanan'Andriamanitra Izy. 13Izy de miandry mandra-pagnôvana an'reo favalony ho fipetran-tongotra ho an'ny tongony. 14Fa tamin'ny fagnatitra raika izy de nalavorary mandrakizay reo ze nohamasinina.15Ny Fanahy Masina kô de mijoro vavolombelona ho antsika. Fa tamin'ny vôlôny Izy niteny hoe: 16"Ty no fanekena ze atôko miaraka am'jareo afaran'reo andro reo, ozy ny Tompo. Hapetrako akao am-pon'jareo ny lalàko, ary hanoratra an'zany akao an-tsain'jareo Za.17Tsy hatsaro ny ota sy reo helok'izy reo intsony Za. 18Ary na aiza misy famelana an'zany, de tsisy sorogna ho an'ny ota mitsy.19No zany, ry rahalà, tsika de managna fatokena ny hiditra akao amin'ny toerana masina indrindra tamin'ny ràn'i Jesosy. 20Zany no lalana vaovao sady velona ze nosokafany ho antsika tamin'ny alalan'ny lamba, zany hoe, tamin'ny alalan'ny nofony. 21satria tsika de managna mpisorogna be mitandrina ny tranon'Andriamanitra, 22aoka tsika hagnatogna amin'ny fo madio amin'ny finôna feno fatokena, mba hanagnantsika fo vôdio amin'ny fieritreretana ratsy ary hanagnantsika vatagna vôdio tamin'ny rano madio.23Aoka tsika hitana mafy ny fanekena ny fiandrandrana matokintsika, tsy miozongozogna, satria Andriamanitra, ze nampagnantegna, de matoky. 24Aoka tsika handinika ny fomba hamporisina ny tsiraikaraika amin'ny fitiavana ny reo asa tsara. 25Aoka tsika hanohy ny fiarana miangona, salan'ny nataon'ny sasagny. Fa kosany, mifankaherezana hatraigny hatraigny, ary indrindra ka fa hitanareo fa magnankeky ny andro.26Fa raha tô tsika minia manota rafa avy nandray ny falalana ny marina, de tsisy fagnatitra ho an'ny ota intsony. 27Fa kosany, tokana fogna ny fandignesana matatran'ny fitsarana, ary fatezerana mafy ze hamotika an'reo favalon'Andriamanitra.28Na iza na iza nandà ny lalàn'i Mosesy de no faty tsisy indrafo amin'ny fijorona vavolombelon'reo roey na telo ze nagnatri-maso. 29Fagnasazena tegna mafy manakôry no eritreretinareo fa mendrika an'reo ze nagnitsaka ny zanak'Andriamanitra, ze nagnano ny ràn'ny fanekena ho tsy masina— Le rà ze nagnamasinana an'Azy— ary naniratsira ny Fagnan'ny fasoavana?30Fa tsika mafantatra le raika ze niteny hoe: "Anà ny valifaty; Za no hamaly." Ary ko: "Ny Tompo de hitsara ny ôla." 31Ra mampataotra no hilatsaka akeo antagnan'Andriamanitra velona!32Fa tadidio reo andro talô, rafa nazavaina an'nareo ny fomba niaretanareo ny ady mafy tamin'ny fijalena. 33Anareo de nalana baraka ampabemaso tamin'ny fagnaratsena, sy tamin'y fagnenjena, ary nareo de niaraka nizara tam'reo ze nandalo fijalena salan'zany. 34Satria nareo de nagnana fangoram-po tam'reo ze nigadra, ary nareo de nagneky tamin-pifalena ny fangalana ny fanagnanareo. De nafantatra an'nareo fa ny tegnanareo de managna fanagnana tsara koko sy maharitra mandrakizay. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talô de tsy hahitana ny fehezanteny hoe: "Fa nareo de nagnana fangoram-po tamin'ny gadrako."]35No zany de aza arena ny fatokisanareo, ze managna valisoa gedabe. 36Fa nareo de mila miaritra, mba azahônareo ze nampagnantenain'Andriamanitra, rafa nagnano ny sitrapony nareo. 37Fa tsy ho ela, le raika ze ho avy de ho avy tokôtrany ary tsy ho tara.38Ny ôloko marina de hivelona amin'ny finôna. Raha mihemotra izy, Za de tsy ho faly amin'azy. 39Fa tsika de tsy naman'ze miemotra ho amin'ny faravana. Fa kosany, tsika de agnisan'reo ze managna finôna ho amin'ny fitanana ny fagnahintsika.

Chapter 11

1Ary ny finona no antoka am'reo ra nandrasana tamim-patokisana. Io no porofon'reo ra mitranga ze mbola tsy hita. 2Fa no zany reo razambe de nankatoavina non'ny finon'jareo. 3Amin'ny finona no hafantarantsika fa ny didin'Andriamanitra namoronana an'zao tontolo zao, da ze taza-maso de tsy natao tamin'ny ra ze hita maso.4Tamin'ny finona no nanoloran'i Abela fagnatitra tsara kokô ho an'Andriamanitra nony an'i Kaina, tamin'ny alalan'zany no nagnambarany an'azy ho marina, ary Andriamanitra nitare tsara an'azy non'reo fagnatiny, ary amin'ny finona no mbola hitaravan'i Abela, na de efa maty aza izy.5Tamin'ny finona no namindrana an'i Enoka mba tsy aitany fafatesana. "Tsy hita izy, satria nilain'Andriamanitra." 6Fa talôn'ny nangalàna an'azy, de nijorôna vavolombelona fa nankasitran'Andriamanitra izy. Ary rafa tsisy finona de tsy mety ankasitrahany. Satria ilaina hoe ze magnatogna an'Andiamanitra de tsy maintsy mino fa misy Izy ary Izy no mamaly soa an'reo ze mikaroka an'Azy.7Tamin'ny finona Noa, no namena hafatra avy amin'Andriamanitra momba an'reo ra ze tsy mbola hita, niaraka tamin'ny fagnajana an'Andriamanitra no nagnamboarany ny sambo ze namonjeny ny ankohonany. Fa tamin'ny fagnanôvana an'zany, no nagnamelôhan'zao tontolo zao sy natongavany ho mpandova ny fahamarinana, araka ny finona.8Tamin'ny finona Abrahama, raha nantsovina no nankato sy nande nankaigny amin'ny le tôrana ze hazaôna ho lova. Nande izy, tsy nafantatra ze tany nombany. 9Tamin'ny finona no niaignany taigny am'le tany nampagnantenana ôtran'ny vahiny. Niaigna tao agnaty tragno le izy niaraka tamin'i Isaka sy Jakoba, reo mpiara-mandova am'le fampagnantenana mitovy. 10Fa izy nikaroka le tanàna ze managna an'reo fagnorenana, le tanàna ze Andriamanitra no mpamari-tragno sy mpagnorin-tragno.11Tamin'ny finona, na de Saraha izy tegnany ze momba aza, no nazaôn'i Abrahama ny fahafana ho ray. Nitranga zany na de efa tegna antitra aza izy, satria neverina ho ôtran'ny le matoky namena le fampagnantenana izy. [Fagnamarihana: Misy fagnontanena momban'ny hoe ny finoan'i Abrahama sa ny finoan'i Saraha no nasongadiagna. "Tamin'ny finona i Saraha, na de efa antitra aza izy, no nazaôny hery hanagn'anaka, na de efa tegna antitra aza izy hitondra zaza, satria nihevitra le nagnome le fampagnatenana an'azy ho matoky."] 12No zany avy am'zany leila zany, ze efa ho foaty, no nahateran'reo ze ôtran'reo kintana aigny an-dagnitra ny habetsahany sy ôtran'ny fasika magnamorona ny ranomasina, ze tsy vôisa.13Tao amin'ny finona iregny dahôly regny no maty tsy nandry an're fampagnatenana. Fa kosa, tafaran'ny nahitana sy niarabana an'azy reo avy aigny alavitra, de nagneky zareo fa vahiny sy sesi-tany aty an-tany. 14Ho an'reo ze mitare ôtran'zany ra zany de mazava fa mikaroka tanindrazana zareo.15Raha nieritreritra ny firenena ze nialany zareo, de mety nanagna fahafahana hiverina. 16Fa salan'zany, nagniry firenena tsaratsara kokô zareo, ka zany le aigny an-dagnitra. No zany tsy mamegnatra an'Andriamanitra ny vôantso hoe Andriamanitr'izy reo, ka nanomagna, tanàna ho an'jareo Izy.17Tamin'ny finona'i Abrahama, rafa notsapaina, de nanolotra an'i Isaka. Io no razagny là tokana ze natolony, izy le nahazo an'reo fampagnantenana. 18Tamin'i Abrahama no nilazana hoe: "Amin'ny alalan'Isaka no hanondroana an'reo taranakao." 19Abrahama de nihevitra fa Andriamanitra de havita hanangana an'Isaka amin'ny maty, ary amin'ny heviny amin'ny ôtra, avy tam-jareo no hazaôna an'azy ndre.20Tamin'ny finona momban'reo ra ho avy kô no nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao. 21Tamin'ny finona Jakoba, tam'ze efa ho foaty, no nitso-drano reo zanak'i Josefa tsiraikaraika avy. Nivavaka Jakoba, nitehina tamin'ny lohan'ny tehiny. 22Tamin'ny finona Josefa, rafa nagnakeky ny fefarany, no niresaka ny fengan'ny zanak'Israely avy aigny Egypta ary nagnafarany ny amin'ny tôlany.23Tamin'ny finona Mosesy, rafa teraka izy de nasitrik'reo ray aman-dreniny nandritry ny telo volana satria hitan'jareo fa zaza tsara izy. Tsy natatra ny didin'ny mpanjaka zareo. 24Tamin'ny finona Mosesy, tafaran'ny naleibe an'azy, no nandà ny hentsovana an'azy ho zanaka làhin'ny zanaka vavin'i Farao. 25Fa kosa, nisafidy ny hijaly niaraka tamin'ny vahôkan'Andriamanitra izy, ôtran'ze hankafy an'reo fafinaretan'ny fahotana mandritry ny fotôna foika. 26Nilaza izy hoe ny fafam-baraka amin'ny fagnarahana an'i Kristy de harena ngaza no reo haren'i Egypta. Satria nampifatoka an'reo masony tamin'ny valisoany izy.27Tamin'ny finona no nelan'i Mosesy taigny Egypta. Tsy nataotra ny fasosen'ny mpanjaka izy, fa niaritra an'zany ôtran'ny le nahitany le tsy hita maso. 28Tamin'ny finona no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, mba tsy hikasika ny zanaka lahimatoan'reo Isrelita ny mpandringana ny zanaka lahimatoa.29Tamin'ny finona no nitsakan-jareo ny Ranomasina Mena ôtran'ny mande maigna. Rafa nagnandrana nagnano an'zany reo Egyptiana, de vôteligna zareo. 30Tamin'ny finona no nirodagnan'ny mandan'i Jeriko, rafa avy nagnodidigna nandritra ny fito andro izy reo. 31Tamin'ny finona no tsy nafaty an'i Rahaba le mpivarotegna miaraka tam'reo mpaniasia, satria nandray reo mpisafo tany tamin'ny fiadanana izy.32Ino ihany kô no afaka lazaiko? Fa ho lany ny fotônako raha mikoragna momban'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, ary momban'reo mpaminagny za. 33Tamin'ny alalan'ny finona no nazaôn'jareo ny fanjakana, niasa ara-drariny, ary nandry an'reo fampagnatenana. Nagnakombogna ny vavan'reo liona zareo, 34namono ny herin'ny afo, nilefa ny lelan'ny sabatra, sitrana tam'reo aretina, lasana nahery agn'ady ary nandresy an'reo tafika vahiny.35Nitsangana tamin'ny maty tamin'ny fananganan-ko velona reo vevavy. Reo hafa de nampijalena tamin'ny tsy fanekena ny famotsorana mba hazaôn'jareo fitsanganana tsara kokô. 36Ny hafa de notsapaina tamin'ny fagnesôna sy re fitarôna, iôny fa na de ny fatotra sy ny fagnagadra aza. 37Notoram-bato izy reo. Notsofaina hizara roa izy reo. Novonona tamin'ny sabatra izy reo. Nirenireny tamin'ny hoditr'ondry sy hoditr'osy izy reo. Nahantra zareo, nampihorohorona, nampahorena. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny sasagny talô de mivaky hoe: "Notoram-bato izy reo. Notsofaina hizara roa. Nampandalovina fitsapana. Novonona tamin'ny sabatra."] 38Zao tontolo zao de tsy mendrika an'azy reo. Nirenireny taigny an'efitra, tany am'reo tanety, tany am'reo lava-bato, ary tany am'reo lavaka ambanin'ny tany izy reo.39Kanefa regny ôla daôly regny de neken'Andriamanitra non'ny finon'jareo, tsy nandry ny fampagnantenana zareo. 40Nagnomana ra tsara kokô ho antsika Andriamanitra, mba tsy ho lavorary izy reo raha tsisy an'tsika.

Chapter 12

1No zany, satria tsika vôdidigna vavolombelona marobe ôtran'ny rôndro, de ande tsika hamela ny vesatra daôly sy ny fahotana mora magnodidigna antsika. Ande tsika hezakazaka am-paretana ny fezakazahana ze napetraka teo agnolôntsika. 2Andeha tsika hitandrina amin'i Jesosy, ny mpampiatomboka sy mpagnantanteraka ny finoana. Fa non'ny hafalena ze napetraka teo agnolônay, de niaritra ny hazofijalena Izy, tsy niraharaha ny hegnatr'zany, ary nipetraka teo an-tagnan'ankavanan'ny seza fendrianan'Andriamanitra. 3No zany eritrereto ny momba an'Azy, le raika ze niaritra fanoherana salan'zany avy tam'reo mpanota hagnohitra ny tegnany, mba tsy ho reraka akao am-ponareo nareo ka hilavo lefona.4Tsy mbola nanoitra anareo na nikezaka hanoitra ny fahotana hatramin'ny fahalatsan-drà, 5ary adinonareo ny fampaherezana ze nampenarina an'nareo ôtran'ny am'reo zanaka hoe: "Ry zanako là, aza magnamaivana ny fitsipika ny Tompo, na mihareraka raha ahitsiny anareo." 6Fa ny Tompo magnafay ny daôly ze teny, ary Izy magnasazy ny zanaka tsiraikaraika ze raisiny.7Mereta fijalena ôtran'ny fitsipika. Andriamanitra de mitondra anareo ôtran'ny zanaka. Fa zanaka ino no teo ka tsy nofaizin'ny rainy? 8Fa raha tsy managna fitsipika anareo, ze agnanan'ny ôla daôly, de zazasary anareo fa tsy zanagny.9Ary kô, nanagna ny ray ara-nofo ôtran'ny mpagnafay tsika, ary nanaja an'jareo tsika. Tsy tokony hankatô kokô ny Rain'ny fagna ma tsika ary ho velona? 10Fa eo andagniny, reo raintsika nagnafay antsika nandritry ny andro vitsy araka ze marina tam'jareo. 11Nefa eo ankilany, Andriamanitra nagnano an'zany ho an'ze tsara ho antsika mba hafantsika managna anjara amin'ny famasinany. Tsy misy famaizana mibôgna ho mahafinaritra, fa manaintaigna aza. Kanefa zany afara kely de mamokatra ny vokatra feno fedanan'ny famarinana ho an'reo ze nozarina tam-zany.12No zany hatanjao reo tagnanareo ze miraviravy sy reo lohalikareo malemy. 13Magnanôva lalana mahitsy ho an'ny tongotrareo, mba ze malemy de tsy hipitsoka fa ho sitragna aza.14Magnejeha fedanana miaraka am'ôla daôly, ary ny famasinana iany kô ze tsy hahitan'iza na iza ny Tompo raha tsy miaraka am-zany. 15Mitandrema mba tsy hisy na iza na iza tsy hagnana ny fasoavan'Andriamanitra, ary tsisy fakan'ny fahagidiana mitombo hiteraka korontagna, mba tsy ho mora no lasa vôloto am-zany. 16Mitandrema mba tsisy fijangajangana na ôla tsy an'Andriamanitra ôtran'i Esao, ze nivarotra ny fizokiany ho an'ny hanina raika. 17Fa anareo mafantatra fa rafa afaka zany, rafa nagniry ny handova ny fitahiana izy, de nolavina, satria tsy nahita irika am'fibebahana izy, na de nikatsaka zany tamin-dranomaso aza.18Fa anareo tsy tonga teo am'tanety ze tsy azo kasihina, tanetin'ny afo mandoro, haizigna, fahamaizignana, ary tafiotra. 19Anareo de tsy tonga teo am'trompetra magneno mafy, na teo am'feo ze miteny reo teny ze ny mpihaino an'azy de nangataka mba tsisy teny hafa ho lazaina am'jareo. 20Fa izy reo tsy afaka niaritra ze nodidiana hoe: "Fa na de ny biby mikasika ny tanety aza, de tsy maintsy ho toraham-bato zany." [Fanamarihana: Reo dikan-teny sasagny talô de mivaky ôtran'zao: "Fa na de biby raika ze mikasika ny tanety aza, de tsy maintsy ho toraham-bato zany na ho vonoina am'zana-tsipika."] 21Fa mampitatra lôtra le fahitana ze nolazain'i Mosesy hoe: "Mihorohoro za ary mangitakitaka."22Fa anareo kosany, de tonga teo am'tanety Ziona ary teo am'tanànan'Andriamanitra velona, ny Jerosalema aigny an-dagnitra, ary teo am'reo anjely agn'align'alina tam'fankalazana. 23Anareo de tonga teo amin'ny antokon'ôlon'ny vôlôhan-teraka, ze vôsoratra agnarana aigny an-dagnitra. Anareo de tonga teo am'Andriamanitra, le Mpitsara ny ra daôly, ary teo am'reo fagnin'reo ôlon'ny fahamarinana ze natao tonga lafatra. 24Anareo de tonga am'Jesosy, le mpagnelalana fanekena vaovao, ary teo am'rà latsaka ze tsara kokô no ny ràn'i Abela.25Ôka anareo tsy handà le raika ze miteny. Fa raha tsy nilefa zareo tam'jareo nandà ny raika ze nampitandrina an'jareo teto an-tany, de kely kokô no hilifasantsika raha mihodina am'le raika ze mampitandrina antika avy aigny an-dagnitra tsika. 26Tam'fotôn raika, ny feony nagnozongozona ny tany. Fa am-zao Izy nampagnantegna sy niteny hoe: "Mbola hagnozongozogna indray mande tsy ny tany iany za, fa ny lagnitra iany kô."27Reo teny reo, "Indray mande kô," de midika ny famindrana reo ra ze afaka hozongozognina, zany de reo ra ze noharina, mba hipetraka reo ra ze tsy azo hozongozognina. 28No zany, satria mandray fanjakana ze tsy azo hozongozognina, de ôka ho mpankasitraka tsika ary am'zany fomba zany de hidera an'Andriamanitra am-pagnajana fatratra sy amin-tatra. 29Fa ny Andriamanintsika de afo mandevona.

Chapter 13

1Tohizo hatraigny ny fifankatiavan'ny mpirahalà. 2Aza magnadino ny fampentranom-bahiny. Fa tamin'zany de nampentragno anjely ny sasagny nefa tsy fantany.3Tsarôvo reo vôgadra, de hevero ho salan'ny niara-nigadra tamin-jareo kô anareo. Tsarôvo reo ze ampahorena, hevero ho salan'ny hoe: zareo ihany kô anareo amin'ny vatagna. 4Ôka hagnaja ny fanambadena ny tsiraikaraika, ôka tsy hifagnitsakitsaka ny mpivady fa ataovo madio ny fandreny, fa Andriamanitra de hitsara an'reo mpangalabadin'ôla sy reo mpijangajanga.5Aza avela hahazo laka amin'ny fitondran-tegnanareo ny fitiavam-bola. Mifalia am'reo ra ze hanagnanareo, satria Izy Andriamanitra de nitare hoe: "Za de tsy handao an'nareo miitsy, na hahafoy an'nareo velively kô." 6Alao mba ho faly ntsika ka ho sahy hitare hoe: 'Ny Tompo no Mpamonjiko; ka tsy hatahotra za. Ino no azon'ny ôla atao aminà?"7Hevero reo mpitarika an'nareo, ze nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo, hevero ny fiafaran'ny fiaignan'jareo. Alao tahaka ny finon-jareo. 8Jesosy Kristy de tsy miova nomaly, sy nigniany, ary mandrakizay.9Azy magneiky tômina amin'reo karazagna fampenarana hafahafa. Fa tsara raha hamafisina amin'ny fasoavan'Andriamanitra ny fo, fa tsy amin'ny hanina ze tsy mahasoa reo mahavatra an'azy. 10Tsika de managna alitara ze tsy anagnan'reo mpagnano fanompoam-pivavahana akao amin'ny tabernakely fahefana hihinana. 11Ny ràn'reo biby novonoina natao fagnatitra ho an'ny ota de nentin'ny mpisorognabe takao amin'ny tôrana masina, nandritra an'zany ny vatan-jareo de nidorôna taigny avelagny ny toby.12Izany no antony nijalen'i Jesosy sy ny nahafatesany taigny avelagny ny vavahadin'ny tanàna, mba hagnamasina ny vahôka amin'ny ràny manokana. 13Andao tsika ho aigny amin'Azy aigny avelagnin'ny toby, ka hiara-hitondra ny fafambarakany.14 Fa tsika de tsy managna tanàna maharitra aty. Fa kosa, tsika de mandigny le raika ze ho avy.15Ary de andao tsika hagnatitra fagnati-piderana ho an'Andriamanitra hatrany, de fiderana vokatry ny molotra ze magneiky ny agnarany. 16Fa mba aza magnadino ny magnano ny tsara sy magnampy ny tsiraikaraika tsika, fa amin'ny fagnatitra ôtran'zany indrindra no tegna sitrak'Andriamanitra. 17De mankatoava sy magnikesa, an'reo mpitondra an'nareo, fa zareo no miaro ny fagnahinareo, salan'reo ze hagnano tatitra. Mba magnike hagnano an'zany am-pifalina reo mpitondra anareo, fa tsy atao ampisentôna zany. ka lasa tsisy dikany ho anareo.18Mivavaha ho anay, fa zahay de nino fa managna feon'ny fieritreretana madio ary magniry hiaigna ampamarinana ny ra daôly. 19Tegna mamporisika an'nareo miitsy za mba hagnano an'zany, ka mba hiverigna malaky aty aminareo za.20Ary le Andriamanitry ny fiadanana, ze manangana an'i Jesosy Tompontsika, le mpiambina ondry leibe, tamin'ny maty ze nitondra ny ràn'ny fanekena mandrakizay, 21de hagnatsara anareo amin'ny asa tsara daôly mba hagnanôvana ny sitrapony. Izy ane hiasa akao agnatintsika ze tegna ankasitrahana akeo agnatrehany amin'alalan'i Jesosy Kristy, ze hamena ny voninahitra mandrakizay. Amena.22Ary mankahery anareo za, ry rahala, mba hizaka ny tenin'ny fampaherezana ze nosoratako foika ho anareo. 23Ôka ho fantatrareo fa Timoty rahalantsika de efa afaka, zay iaraka aminà hizaha anareo raha tonga alô izy.24Ataovo veloma daôly reo mpitarika anareo sy reo mpino daôly. Reo ze avy aigny Italia de magnano veloma anareo. 25Ho aminareo daôly anie ny fahasoavana.

James

Chapter 1

1Jakoba , mpanompon'Andriamanitra sy Tompo Jesosy Kristy, ho an'dreo foko roa ambefolo niparitaka: arahaba. 2Raiso ho fifaliagna daôly zany, ry rala, rafa misedra olagna sambihafa nareo. 3Fantatrareo fa ny fitsapana ny finôna de matonga faharetana4Apetrao ny faharetana hahatanteka ny asany, mba tegna hivôtra sy ho feno tanteraka nareo, ka tsy ory ninonina. 5Fa ra misy aminareo mila fahendrena, aoka izy hangataka zany amin'Andriamanitra, le raika ze magnome an-tsitrapo sy tsy mandatsa ze rehetra mangataka, ary agnome anazy izany.6Fa apetrao izy hangataka amin'ny finoana, tsy miafahafa na amin'ino na amin'ino. Fa ze afahafa de sahala ny onjan-dranomasina ze ndesign'ny rivotra sy mitopatopa. 7Fa zany ôla zany de tsy tokony heritreritra handray ninonina avy amin'ny Tompo.8Ny ôla sahalan'zany de mizarazara saina, miovaova amin'ny lalana daôly.9ôka ry rala mahantra hagnano ny fisandratany ho reharehany,10fa n'ôlaana-karena amin'ny fietreny, satria izy de malazo tahaka ny vonikazo-dy eny amin'ny atra.11Fa ny masoandro de mipôka amin'ny hafanana mamay ary manamaigna ny atra. Ny vonikazo de miintsagna, ary ny hatsarany ho levona. Otrany zany kô, ny ôla manan-karena de alazo eny amin'ny atsasaky ny deny.12Sambatra ny ôla ze miaritra fitsapana. Satria rafa avy nandalo fitsapana izy, de handraby ny satroboninahitry ny fiaignana, ze nampagnantenainy tamin'dreo ze te an'Andriamanitra.13Rafa misy halaim-pagnahy de ôka izy tsy hiteny hoe: Andriamanitra no naka fagnahy ana," satre Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-pagnahy, satria tsy ba maka fagnahy nizaniza.14Fa samby alaim-pagnahy amin'ny fagniriny manokana n'ôla ny tsiraikaraika, ze mapiemotra sy mandresy anazy. 15Rafa avy montsamontsagnina ny fagniriny, de miteraka fahotana zany. Ary rafa mitombo tanteraka ny ota, de miteraka fahafatesana. 16Aza mety ho fitana, rala malalako.17Ny fagnomezana tsara daôly ny fagnomezana tonga lafatra avegnambo. Zany de midigna avy agny amin'ny Rain'ny fahazavana. Miaraka aminy de tsy misy fiovana na talinjogna nony fiodiagnana.18Andriamanitra de nisafidy ny hagnome ny fahaterana antsika amin'ny tenin'ny fahamarinana, mba ho karazagna vôloam-bokatr'ireo ra daôly ze noforoniny tsika.19Fantatrareo zany, ry rala malalako: ôka n'ôla daôly alaky hieno, tsy malaky miteny, ary tsy alaky ho tezitra. 20Fa ny fahatezeran'ôla de tsy mavita ny fahamarinan'Andriamanitra.21Koa alao ny falotona daôly sy ny faharatsena daôly. Ampanatre-tegna de raiso ny teny efa napetraka, ze afaka mamonjy ny fagnahinareo.22ôka ho mpankatô ny teny nareo fa tsy mpieno fôgna iany, ka mamitaka ny tegnanareo.23Fa ra misy mpieno nefa tsy makatô, de sala amin'ôla ze mandinika ny tareny voajagnahary agnaty fitaratra izy. 24Mandinika ny tegnany izy ka mande avekeo ary magndino avetrany ny momba anazy. 25Fa n'ôla ze mandinika tsara ny lalànan'ny fahafahafana tonga lafatra, sy manoy magnano zany, fa tsy hoe mpieno fogna ze magnadino, de ho tahina amin'dreo asany zany ôla zany.26Ra misy mievi-tegna ho mpivavaka, nefa tsy mifehy lelany, de mamitaka ny fony izy, ary tsy misy vidiny ny fivavahany. 27Ny fivavahana madio sy tsy misy petina akeo agnoloan'Andriamanitsika sy ny Raitsika de zao: hagnapy an'dreo kamboty sy reo mpitondra-tegna amin'ny fahoren'dreo, ary miaro ny tegna mba tsy hisy pentina avy amin'zao tontolo zao.
Chapter 2

1Ry ralako, aza mitana ny finona an'i Tompontsika Jesosy Kristy, Le Tompony voninatra, amin'ny fiangarana ny ôla sasagny. 2Atôvo hoe misy ôla miditra amin'ny fivorenareo magnano peratra volamena sy akanjo tsara, ary misy leila mahantra iany kô miditra magnano akanjo maloto.3Raha mjery le ôla manano akanjo tsara anao ka mitare hoe: "Azafady mipetrà aketo amin'ny tôrana tsara," fa hitare amin'ny le leila mahantra kosa hoe: "Mitsangàna anao erÿ," na hoe: "Mipetrà aketo an-tongotro ,"4mo tsy mifampitsara aminareo nareo? mo tsy lasa mpitsara amin'ny sain-dratsy nareo?5Mitainoa, ry rala malalako, tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny mahantran'izao tontolo zao, mbô hanakarena amin'ny finona sy mbô ho mpandova ny fanjakana ze nampagnantignaina reo zay te ananjy? 6Fa nareo de nagnala baraka ny mahantra! Mo tsy ny mpanan-karena va no mampahory anareo?7Mo tsy zareo ma no nagnaratsy ny agnarana tsara ze anareo?8Na zany aza, raha magnantanteraka ny lalàn'ny mpanjaka nareo, araky ny Soratra Masina hoe: "Tiavo ny namanao ôtran'ny tegnanao," de manao ny tsara nareo.9 Fa raha magnome sitraka ny ôla sasagny kosa nareo,de manota, ka vôeloka toin'ny mpandika lalàna.10Fa n'izan'iza mankatô ny lalàna daôly, kanefa lavo amin'ny lalàna raika fôgna, de ho meloka amin'ny lalàna daôly. 11Fa le niteny hoe: "Aza mijangajanga," dia niteny iany kô hoe: "Aza mamono ôla." Raha tsy mijangajanga nareo, Kanefa mamono ôla, de lasa mpandika lalàna.12Noho zany mitinena sy magnanova ôtran'reo ze ho tsaraina amin'ny lalàn'ny fahafana.13Fa ny fitsarana de tonga tsy misy famindram-po ami'reo ze tsy naneo famindram-po. Ary ny famindram-po de mandresy ny fitsarana.14Ino no tsara, ry ralako, raha milaza ny ôla raika fa managna finôna izy. Kanefa tsisy asa? Afaka amonjy anazy ma zany finona zany?15Ataovo hoe misy ralà sy anabavy ratsy fitafy sy tsy ampy ahanina isan'andro.16Atovovy hoe misy raika aminareo miteny aminjareo hoe: "Mandiana am-piadanana, manôva mafana ary mivokisa." Raha tsy magnome an'njareo ny ra ilainy ho an'ny vatagna anareo, ino no matsara anizany? 17De otran'zany zany kô ny finona, raha tsisy asa zany, de maty.18Nefa mety misy ôla miteny hoe: "Manam-pinôna anao, ary za magnan' asa," aboagno ana ny finônao tsy misy asa, de aboagnako anao kô ny finônako amin'ny alalan'ny asako.19Anao de mino fa raika iany ny agnaran'Andriamanitra; tsara zany ataonao zany. Fa na reo demonia aza de mino zany, ka de mangitakitaka zareo.20Tenareo ho fantatra ve, ry leila adala, fa ny finôna de tsy misy ilana anazy? [Fagnamarinana: Ny dikan-teny talô sasany dia mamaky hoe: "Tenareo ho fantatra ma, ry leila adala, hoe naôna ny finôna tsy misy asa no maty?"]21Tsy tamin'ny asa kô ma ny nagnamarinana an'i Abrahama raintsaika rafa nanolotra an'Isaka zanany la takeo ambony ny alitara izy?22Hitanao fa ny finôna de niasa niaraka tamin'ny asany, ary amin'ny asa de nivôtra ny finôny.23De tanteraka ny Soratra Masina milaza hoe: "Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina taminy fahamarinana zany," ary izy nantsovina hoe sakaizan'Andriamanitra.24Hitanareo zao fa amin'ny asa no agnamarinana ny ôla, fa tsy amin'ny finôna ihany.25Otrany zany kô, Rahaba mpivaro-tegna tsy nohamarinina taminy asany kô ve izy. Rafa nandray reo iraka sy nandefa anjareo tamin'ny lalan-kafa? 26Fa maty ny teigna ra misaraka amin'ny fagna, de toy zany kô ny finôna tsy misy asa de maty.
Chapter 3

1Tsy ôla daôly no tokony ho lasana mpampianatra, ry ralahy. Fantatrika fa fitsarana mafimafy atsika. 2Fa atsika daôly de tafitona amin'ny fomba betraka. Ra misy tsy tafitona amireo teny, de leila matotra tanteraka izy, afa mife na de ny tegnany raika manontolo aza.3Ary ra asentsika lamboridy akeo am-bavan'ireo sôvaly mba hankatoavanjareo antika, de afaka mitondra ny vantanjareo raimanontolo kô atsika.4 Jereo kô fa reo sambo, na de geda tokô aza izy regny ary ndesin'ny rivotra mahery, de vovilin'ny familina tegna kitika aigny amin'ize daôly ten'ny mpamory5Ôtran'izany kô ny lela derantragna kitika amin'ny vatagna, kanefa izy de mihambo ra daôly. Tazagno ihany kô ny hakitikn'ny afo ze mandoro ala geda. 6Ny lela ihany kô de afo, tontolon'ny fahotagna izay napetraka teo amin'ny faritrin'ny vatantsika koa izy.Izany de magnisy pentimpentina ny vatagna ray manontolo ary mandoro ny lalam-piaignana. Ampiretin'ny helo ny tegnany.7Fa ny karazam-bizava bdia daôlo, vorona, biby mandady,ary zava-boarin-dranomasina de folaka ary nofolan'ny ôlombelona.8 Fa momban'ny lela, tsy misy ôla mavita mamolaka anizany. Io de ratsy tsy hay fehezina, feno poizina mafaty.9An'io derantsika ny tompo sy ny Ray, ary amin'io no hagnozognanantsika ôla, ze natao nitovy tamin'Andriamanitra. 10Avy amizany vava zany kô no hivoan'ny fitahina sy fagnozonana. Ry ralako, tsy tokony hitranga reo ra reo.11Mo ny lôrano ma mamôka rano mamy sy mangidy avy amin'ny fivohany? 12Mo ny kakazon'ny aviavy ma, ry ralahiko,mamô oliva? Na ny vôloboka, mamô aviavy? Ny rano masina kô de tsy afaka magnome rano mamy.13Iza no endry sy mafantatra, akeo ampovôny? Avelao zany ôla zany hanoro fiaignana tsara amin'ny asany amin'ny fanatrentegnan'ny fahendrena. 14Fa ra managna fialonana mangidy anareo ary ny fagnirindaza akao amponareo, de aza miambo na mandainga hanotra ny marina.15Zagny de tsy fahendrena izany nidigna avy tagny agnambo. Fa kosa, avy amin'ny tany, ny tsy ara-pagnahy, ny demôniaka izany.16 Fa agny amin'izany misy fialonana sy fagnirin-daza, de misy fifanjevona sy fanaovana ratsy, daôly. 17Fa ny fahendrena avy aigny agnambo de madio alô, avy akeo feno fiadanana, malemy fagnahy, mihevitra ny sasagny, feno famindram-po, sy vokatra tsara,tsy malemy ary tsotra. 18Ny vokatriny fahamarinana de vôfafy am-piadanana akeo ampovônireo izay mampiavana.
Chapter 4

11Avy taiza no neven'reo ady sy reo fifandirana akeo aminareo ?Mô va reo avy amin'ny fagnirinareo ze miady amin'ny mpikambana akeo agnivonareo? 2Magniry ianareo nefa tsy magnana. Mamono sy mitsiriritra ianareo,nefa tsy afaka ny ahazo. Miady sy mifanditra ianareo.Tsy magnana ianareo satri tsy mangataka. 3Mangataka ianareo nefa tsy mahazo satri ratsy fangatana,mba hahafahanareo mampiasa zany ho amin'ny fagnirinareo4Anareo ry mpijangajanga! Mo tsy hainareo ma fa ny fisakaizana amin'izao tontolo izao de fandrafina nanoitra an'Andremanitra ka n'iza n'iza te ho naman'izao tontolo izao de magnano ny tegnany ho fahavalon'Andriamanitra. 5Se anareo ma nieritreritra fa ny Soratra Masina de miteny zava-pagna hoe: "Ny Fanahy zay nataony takeo amintsika de saro-piaro loatra?"6Fa Andriamanitra de magnome fahasoavana betsaka kokoa noho izany de ozy ny Soratra Masina hoe: "Andriamanitra manohitra ny mpirearea,fa magnome fahasoavana ny nagnetry tegna."7 Ka magnikesa an'Andriamanitra. Tohero ny devoly de hilefa anareo izy.8Manankikeza an'Andriamanitra de hagnankeky anareo Izy sasao nny tagnanareo ry mpanota ary sasao ny fonareo ry mpizarazara saigna. 9Malaelova, magnanova fisaonana, ary mitomagné! Oka ny fimemezanareo hanjary fitomagnena, ary ny fifalenareo ho fanjoretana. 10Magnetre tegna akeo agnatrean'ny Tompo de hampisondrotra anareo Izy.11Aza mifagnaratsy ianareo, ry rala. Ny ôla ze nmagnaratsy ny rala na mitsara ny lalàna. Ra mitsara ny lalana nareo, de tsy mpankato ny lalana fa mpitsara. Raika fogna ny mpagnome ny lalàna sy mitsara. 12Izy le afaka mamonjy ny mandringana. Iza ma anao, ze mitsara ny namanao?13Koa mitainoa anareo ze miteny hoe: "Gniany na amaraigna hiditra akato amin'ny tanàna ty tsika, hanangana herintaona, akaigny, hagno varotra, ary hiaka antombony."14 Iza no mafantatra ze hiseo amraigna ary ino ny fiaignanareo? Fa zavona nibogna vetiketika anareo ary avy akeo de levona.15Fa kosa tokony hiteny anreo hoe: "Ra sitrakin'ny Tompo, de ho velona isika ary hagnano an'ity na hagnano an'iry." 16Fa amin'zao fotoana zao anareo de mirehare amin'ireo tetika misehoseho. Ny fisehosehoana rehetra ohatran'zany de ratsy.17 Ka ho an'ze rehetra mafantatra magnano tsara nefa sy magnano an'zany, de heloka ho an'azy zany.

Chapter 5

1Malaky,ianareo ze manankarena,mitomaneza sy migogogogò noho ny fahorena tonga aminareo. 2Ny harenanareo efa lo,ary ny fitafinareo efa lanin'ny kadradraka.3 Ny volamenanareo sy ny volafotsinareo de efa refesenina. Ny refesina de vavolombelona hiampanga anareo,handoro ny nofonareo sala amin'ny afo azo zany. Niterizinareo ny harenanareo ho amireo andro farany.4Zao kô, ny karaman'ny mpiasa de mitaraigna, ny karama ze tsy namenareo ho an'ny mpamboly ny taninareo, ary ny fitarainan'ny mpandidy de fa tonga agny an-tsôfin'ny Tompon'ny maro. 5Niaigna tamin'ny harena taketo ambon'ny tany anareo ary nagnara-po ny tegnanareo. Nampitavizina ny fonareo ho amin'ny andro famonôna.6 Nanameloka sy namôno ny ôlo-marina nareo. Tsy namaly anareo izy. 57Ka mahareta, ry rahlahy, mandrapaha-tongan'ny Tompo. Indro, ny mpamboly mandigny ny vokatra tsara amin'ny tany. Mandigny am-paharetana anzany izy,mandra-pazaôny ny vôlô sy fara-ôrana.8 Nareo, kô, mandignia. Atanjao ny fônareo,satre efa tsy ela ny fiavian'ny Tompo.9Aza mifampitaraigna, ry ralà, mba tsy ho tsaraigna iagnareo. Indro ny mpitsara mijoro eo an-tokonana. 10Mangalà ôatra, ry ralà, avy amin'ny fijalena sy ny faharetan'ireo mpamignany, ireo ze nitare tamin'ny anaran'ny Tompo.11 Indro ataontsika ôtrany sabatra reo ze efa niaritra .efa regninareo ny fiaretan'i joba, ary fantatrareo ny tanjonan'ny Tompo,mahafeno ny fangoràna sy famindram-po Ananjy.12Fa ambonin'ny zavatra daôly ry ralaiko,aza miozogna na lanitsa na amin'ny tany na fianiagnana hafa fa kosa ôka ny teninareo hoe'' Iôny"de "iôny'' ary ny " tsia" ho "tsia" Mba tsy hidiranareo aigny amin'ny fitsarana.13Misy ôla va akeo aminareo mijaly amin'ny ady sarotra? öka izy hivavaka. Misy ôla faly va? Öka izy hihira fiderana. 14Misy manavy va akeo ampovônareo? Aoka izy hagnantso ny loholon'ny fiangonana, Ary ôka zareo hivavaka hoanazy. Ka hagnosotra menaka anazy amin'ny agnaran'ny Tompo. 15Ny fivavaky ny finôna ho magnasitrana le ôla manavy ,Ary ny Tompo hanangana anazy. Ary ra magnota izy, de hamela ananjy Andriamanitra.16Kô mifagneke heloka ianareo, ary mifampivavà mba ho sitragna ianareo. Ny vavaka ataon'ôlo-marina de tegna matanjaka ny fiasany.17 Elia de leila mitovy tamintsikana ihany, nivavaka mafy izy mba tsy hilatsan'ny ranonôrana, ary tsy nilatsaka tamin'ny tany nandritra ny telo taona sy enim-bôlana izany.18 Avekao nivavaka ndre Elia. Ny lanitra de nagnome ranonôrana, ary ny tany de nagnome vokatra.19Ry ralaiko, ra misy akeo aminareo miala amin'ny famarinana ary misy raika mampiverigna anazy, 20de tokony ho fantatr'io ôla io fa n'iza n'iza magnala ny mpanota raika amin'ny lalan-disony de hamonjy anazy amin'ny fahafatesana, ary hagnarona fahota betsaka.

1 Peter

Chapter 1

1Peteran apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'reo zanaka am-pelezana, reo ze vôfidy, magnerana an'i Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia, ary Bitynia. 2Zany de araka ny fantatr'Andriamanitra Ray melô, vôtokan'ny Fagna ho fankatoavana sy ho famafazana ny ràn'i Jesosy Kristy. Ho am'nareo ane ny fasoavana, ary hitombo ane ny fiadananareo.3Isaorana ane Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompotsika. Tamin'ny famindram-pony, no nagnomezany antsika faterana vaovao ho an'ny fatokisan'ny lova. Zany lova zany de tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. 4Zany de ho an'ny lova ze tsy ho faty, tsy ho simba, ary tsy ho levona. Zany de vôtokana ho an'nareo aigny an-dagnitra. 5Anareo de arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finôna, ho an'ny famonjena ze efa vognona ho ambara amin'ny fotôna farany.6Tegna ravoravo momba an'zany anareo, na de ilainaro aza ny hatsiaro malaelo amin'ny ôla maro samy hafa am'zao. 7Zany de ho an'ny fagnaporofona ny finônareo, ze sarobidy kokô no ny volamena ze simba, na de nosedraina tamin'ny afo aza. Mibôgna zany mba ho tazagna ny vokatry ny finônareo amin'ny fiderana, voninahitra, ary haja amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy.8Tsy nahita an'Azy nareo, nefa te an'Azy. Tsy maita an'azy anareo am'zao fotôna zao kanefa mino an'Azy ary faly amin'ny fifalena tsy hay lazaina, mafinaritra. 9Raisinareo am'zao ny vokatry ny finônareo, de ny famonjena ny fagnanareo. 10Reo mpaminagny de nikaraka sy nagnotany tsara ny momba an'zany famonjena an'zany, ny momba ny fasoavana ze ho an'nareo.11Zareo de nikaraka ny hafantatra ny momban'ny hoe iza sy ovena ny Fagnan'i Kristy akao am'jareo no niteny tam'jareo. Zany de nibôgna salan'ny nolazainy an'azy reo melô momba an'reo fijalen'i Kristy sy ny voninaitra magnaraka an'zany. 12Nambara tam'jareo zany mba tsy hanompo ny tegnany zareo, fa nareo, rafa niteny reo ra ze vôlaza taminareo am'zao fotôna zao izy reo tamin'ny alalan'reo ze nitory ny filazantsara taminareo tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina nalefa avy aigny an-dagnitra ra ze ten'reo anjely ho fantatra.13No zany omagno ny saignareo. Mahonona tegna. Mametrà fitokisana amin'ny fsoavana ze entina akao aminareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy. 14Amin'ny maha zanaka mpankato, az mampifagnaraka ny tegnanareo am'reo fagnirina ze naranareo tamin'ny mbôla tsy nafantatra nareo.15Fa salan'le raika ze nagnantso an'nareo hoe masina, nareo, ka ôka ho masina amin'ny fitondran-tegnanareo manontolo. 16Fa vôsoratra hoe: "Aoka ho masina satria Masina Za." 17Ka raha magnantso le raika ze mitsara tsisy fanavakavana araka ny asan'ôla tsiraikaraika avy hoe: "Ray" nareo de handany ny fotôn'andronareo amin'ny fagnehôna fagnajana.18Fantatrareo fa tsy avy tamin'ny volafotsy na volamena mety levona no nagnavotana an'nareo tamin'ny fotondran-tegna adala ze negnaranareo tam'reo razagnareo. 19Fa kosany, navotana tamin'ny rà sarobidin'i Kristy anareo, ze salan'ny zanak'ondry tsy misy kilema na tsiny.20Vôfidy talôn'ny nagnanganana an'zao totolo zao Kristy, fa am'zao de tam'reo fotôna farany no nagnambaràna an'Azy taminareo. 21Amin'ny alalany no hinonareo an'Andriamanitra, ze nagnangana an'azy tamin'ny maty sy tam'reo nameny voninaitra mba ho akao amin'Andriamanitra ny finôna sy fatokianareo.22Nagnadio ny fagnanareo tamin'ny fankatoavana ny fahamarinana an'nareo. Zany de ho an'ny fitiavana ara-pirahalahiana madio; no zany mifankatiava fatratra amin'ny fo. [ Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny de mivaky hoe: "Nagnadio ny fagnanareo tamin'ny fankatoavana ny fahamarinana tamin'ny alalan'ny Fagna nareo"] 23Nateraka ndraika nareo, tsy avy amin'ny vô mety maty, fa avy amin'ny vô tsy mety maty, amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra velona sy mitôtra.24Fa ny nofo daôly de salan'ny ahitra, ary ny voninahiny daôly de salan'ny vonikazon'ny ahitra. Maina ny ahitra, ary malazo ny voninkazo, 25fa ny tenin'ny Tompo de mitôtra mandrakizay. Zany ny vaovao mafaly ze nambara taminareo.
Chapter 2

1No zany areo daôly ny ratsy daôly, ny fadisoam-panantenana daôly, ny fitsaram-belatsy, ny fagniriana, ary ny fagnendrikendrena daôly. 2Salan'ny zaza vô teraka, magniry ronono ara-pagna madio, mba hafanareo mitombo akao amin'ny famonjena amin'ny alalan'zany, 3raha natsapa nareo fa tsara fagna ny Tompo.4Magnatogna an'azy le vato ze naren'ny ôla, fa vôfidin'Andriamanitra ho manan-danja Aminy. 5Nareo ihanay kô de salan'roe vato velona ze vôorina ho tragno ara-pagna, mba ho mpisorogna masina ze magnolotra ny sorogna ara-pagna eken'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.6Ny Soratra Masina de ahitana an'zao: "Indro, Za mipetraka amin'ny Ziona vato fehizoro, vôfidy sy manan-danja. Ze daôly mino an'azy de tsy ho menatra."7Ny voninahitra no zany de ho an'nao ze mino. Kanefa, ny vato narian'reo mpanori-trano, zany de tonga lohan'ny fehizoro"- 8ary vato matafitona sy vatolompy mahalavo. Tafitona zareo, tsy nankàto ny teny, ze vôtokana ho an'azy reo iany ko.9Fa enao de ôlom-bôfidy, mpisoron'ny mpanjaka, firenena masina, ôla nalain'Andriamanitra, mba ho afaka hilaza ny hatsaran'reo asan'le raika ze nanantso an'nao avy takao amin'ny haizina hankao amin'ny hazavana matalanjona an'nao. 10Talô enao tsy ôla, kanefa am'zao enao de ôlon'Andriamanitra. Tsy nandray famindram-po enao, am'zao enao nandray famindrm-po.11Ry malala, magnantso an'nareo ôtran'ny vahiny sy mpirenireny za mba hifady ny filàn'ny nofo, ze matonga ady manotra ny fagnanareo. 12Tokony magnana fitondran-tegan tsara nareo akeo am'reo Jentilisa, ka raha miresaka momba an'nareo ho nagnano ra ratsy zareo, de tokony hahita reo asa tsaranareo sy hankalaza an'Andriamanitra amin'ny andro ze hatongavany.13Ankatoavy ny faefan'ny olombelona daôly no ny amin'ny Tompo. Ankatoavy salan'ny ambony indrindra ny mpanjaka, 14sy reo governora ihany kô, ze nalefa mba hagnasazy reo mpagnano ratsy sy hankalaza reo ze magnano ny tsara. 15Fa zany no sitrapon'Andriamanitra, amin'ny fanaovana ny tsara an'nareo de mampangina ny resaka tsy mahalala fomban'ny ôla adala. 16Salan'ny maha-ôlon'afaka, aza ampesaina ho salan'ny fanaronana falemena ny fafahanao, fa ôka ho ôtran'ny mpanompon'Andriamanitra. 17Omeo voninahitra ny ôlon-daôly. Tiavo ny firalahiana. Matahora an'Andriamanitra. Omeo voninahitra ny Mpanjaka.18Ry mpanompo, magnikesa ny tomponareo amin'ny fanajana daôly. Aza magnaiky ho mpanompon'ny tsara sy ho tompo tsara fagna, fa ho an'reo ratsy toetra iany kô. 19Satia mendri-piderana zany ra misy miaritra fanaintaignana rafa mijaly amin'ny tsy rariny nony fanatenany an'Andriamanitra. 20Fa ôtrinina ny vola raha manota enao ary miaritra mandritry ny fagnasazena an'nao avy akeo? Fa raha nagnano ny tsara enao ary miaritra mandritry ny fagnasazena an'nao, de mendri-pederana amin'Andriamanitra zany.21Fa non'ty nagnatsovana an'nao, satria Kristy iany kô de nijaly ho an'nao. Namela ôhatra ho an'nao Izy mba hagnarana reo lalany. 22Tsy nanota Izy, na hoe nisy fitaka teo am-bavany. 23Rafa nitenenina ratsy Izy, de tsy mba namaly ratsy. Rafa nijaly Izy, de tsy nandrahogna, fa nagnolotra ny tegnany tam'le raika ze Mpitsara ampamarinana.24Izy tegnany de nitondra reo fahotantsika tao amin'ny tegnany ho akeo ambony kakazo, mba tsy hagnana anjara amin'ny fahotana intsony tsika, ary mba hiaigna ho an'ny fahamarinana. Tamin'ny alalan'ny ratrany no nasitrana an'nareo. 25Nivejivenjy ôtran'ny ondry very nareo daôly, fa am'zao nareo niverigna tamin'ny mpiandry ondry sy mpiambina ny fagnanareo.
Chapter 3

1Am'zany fomba zany, nareo vevavy de tokony hagneky ny vadinareo. Atôvy zany na de misy leila maro aza tsy mankatô ny teny, ary mety ho azo zareo na tsy misy aza ny teny, amin'ny alalan'ny fitondran-tegnan'ny vadin'jareo. 2Fa zareo de hatazagna ny fitondran-tegna mendrikareo am-pagnajana.3Aoka zany ho tanteraka tsy miaraka am'reo engo avelagny: randram-bolo, firavaka volamena, na akanjo lamôdy. 4Fa kosany, aoka zany ho tanteraka miaraka am'ze akao am-pon'ny ôla, sy ny hatsarana maharitra ny fagna tsara sy mangina, ze sarobidy akeo agnatrehan'Andriamanitra.5Fa reo vevavy masina talô no nandravaka ny tegnan'jareo ôtran'zany. Nagnana fatokena an'Andriamanitra zareo ary nagneky ny vadiky avy. 6Salan'zany fomba zany no nankatoavan'i Abrahama an'i Saraha sy nagnatsovana an'azy ho tompony. Nareo de zanany am'zao fotôna zao raha magnano ze tsara sy tsy matatra ôla anareo.7Ôtran'zany ihany, nareo leilà de tokony miaigna miaraka amin'ny vadinareo araky ny fazavan-tsaigna, ôtran'ny fanaka malemy kokô, ny vevavy. Tokony omenareo voninahitra zareo salan'ny mpiara-mandova ny fagnomezan'ny fiaignana. Atôvy zany mba tsy ho vôsakana ny vavakareo.8Farany, nareo daôly, ôka hiray saigna, hangoraka hifankate salan'ny mpirahalà, ho tso-po, ary hagnetri-tegna. 9Aza mamaly ratsy ny ratsy na manivateva. Mifanotra am'ze aza, mignampy hatraigny, fa no zany no nagnantsovana an'nareo, mba hafanareo mandova ny fitahiana.10"Le raika ze te hankafy ny fiaignana sy te hahita andro tsara de tokony hagnatsatra ny lelany amin'ny ratsy sy ny molony amin'ny fitenenana fitaka. 11Aoka izy hiala amin'ny atao hoe ratsy ary hagnano ze tsara. Aoka izy hitsikaraka fiadanana sy hitaky an'zany. 12Ny mason'ny Tompo mahita ny marina, ary ny sofiny mandreigny reo fangatan'jareo. Fa ny tavan'ny Tompo de manotra an'reo ze magnano ratsy."13Izy le raika ze hamely an'nareo raha magniry ny hagnano ny tsara nareo? 14Nefa raha mijalyy non'ny famarinana nareo, de sambatra. Aza matatra ze hatahoran'jareo. Aza mangôrohôro.15Fa kosany, atokano ho masina akao am-ponareo le Tompo Kristy. Mivognona hatraigny hamaly ny ôla daôly ze magnontany an'nareo ny antony hatokisanareo an'Andriamanitra. Atôvy amin'ny halemem-pagna sy fagnajana zany. 16Magnàna feon'ny feritreretana madio mba ny ôla ze magnevateva ny fiaignana tsaranareo akao amin'i Kristy de mety megnatra satria miteny manoitra an'nareo salan'ny hoe mpagnano ratsy nareo. 17Tsara kokô, raha Andriamanitra no magniry, fa mijaly nareo amin'ny fagnanovana ny tsara non'ny fagnanovana ny ratsy.18Efa nijaly non'ny fahotana iany kô i Kristy. Izy ze marina de nijaly ho antsika, ze tsy marina, mba hitondrany antsika akeo amin'Andriamanitra. Novonona tamin'ny nofo Izy, fa novelomin'ny Fagna. 19Tamin'ny alalan'ny Fagna, de nande izy ary nitory ho an'reo fagna ze aigny am-ponja am'zao. 20Tsy nankatô an'jareo daôly niandry ny faretan'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, tamin'ny androan'ny fagnaboarana sambofiara, ary Andriamanitra namonjy ôla vitsy miisa valo mianaka tamin'ny rano.21Zany no famatarana ny batisa ze mamonjy an'nareo am'zao tsy ôtra'ny fagnadiovana ny loto amin'ny vatana, fa ôtran'ny antson'ny feon'ny feritreretana ho amin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fitsangan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. 22Kristy de akeo an-tagnana ankavanan'Andriamanitra. Niakatra aigny an-dagnitra izy. Reo anjely, reo manam-pahefana, ary ny hery de tsy maintsy magneky an'Azy.
Chapter 4

1No zany, satria nijaly tamin'ny nofo i Kristy, de atôvy fedian'ny tegnanareo zany tanjona zany. Fa ze daôly tamin'ny nofo de nitsatra tamin'ny fahotana. 2Vokatr'zany, ny ôla ôtran'zany, mandritra ny fotôna sisa hiaignany, de tsy hiaigna ho an'ny sitrapon'Andriamanitra.3Fa ampy zay ny fotôna lasana nagnanôvana an'ze ten'ny Jentilisa atao, hafalen'ny nofo, fijejojejona, fimamôna, fitondran-tegna, mamegnatra, filalôvan-dratsy, ary reo asan'ny fagnompon-tsampy marikoriko. 4Heverin'jareo fa hafahafa satria tsy mikambana am'jareo akao am'zany fagnaranam-po be zany nareo, no zany de hiteny ratsy momba an'nareo zareo. 5Hamaly ny raika ze vognona hitsara ny velona sy ny maty zareo. 6No zany antony zany no nitoriana ny vaovao mafaly tam'reo maty ihany kô, na de notsaraina tamin'ny nofo ôtran'ny ôla aza zareo, de hiaigna ôtran'Andriamanitra akao amin'ny fagna.7Magnakeky ny faran'ny ra daôly. No zany tongava saigna, ary mahonona tegna amin'ny eritreritrareo ho an'ny fitiavam-bavaka. 8Ambonin'ny ra daôly, magnàna fitiavana feno ho an'ny tsiraikarika avy, fa ny fitiavana mandrakotra fahotana maro. 9Mifampentranoa tsy am-pitaraignana.10Fa ny tsiraikaraika aminareo de nandray fagnomezam-pasoavana, ampesao hifanomôna zany. Magnanôva zany ôtran'ny mpitan-drarahan'ny fagnomezam-pasoavana maro maimaimpôgna an'Andriamanitra. 11Raha misy miteny, ôka izy hagnano an'zany ôtran'ny raika miteny ny tenin'Andriamanitra. Raha misy manompo, aoka zany ho avy amin'ny hery ze vatsian'Andriamanitra. Magnanôva reo ra reo mba homem-boninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy amin'ny fomba daôly Andriamanitra. Aoka ho an'i Jesosy Kristy ny voninahitra sy hery mandrkizay doria. Amena.12Ry malala, aza raisina ho hafahafa ny fitsapana amin'ny afo ze nitranga taminareo, ôtran'ny hoe nisy ra hafahaf nitranga taminareo. 13Fa kosany, na de betsaka aza ny hiaignanareo reo fijalen'i Kristy, mifale, mba ho afaka hifaly ihany kô nareo ary ho ravoravo amin'ny fagnambarana ny voninahiny. 14Raha nitivativaina no ny agnaran'i Kristy nareo, de vôtahy satria ny Fagnan'ny voninahitra sy ny Fagnan'Andriamanitra de mitôtra akao aminareo.15Fa aoka tsisy n'iza n'iza aminareo hijaly ôtran'ny mpamono ôla, mpangalatra, mpagnano ratsy, na mpiraharaha ny an'ny hafa. 16Fa raha misy mijaly fa Kristiana, aoka izy tsy ho menatra; fa kosany aoka hagnome voninahita an'Andriamanitra amin'zany agnarana zany izy.17Fa fotôna zao hanombona ny fitsarana miaraka amin'ny ankohonan'Andriamanitra. Raha manomboka amintsika zany, ino no ho vokatra ho an'reo ze tsy mankàto ny filazantsaran'Andriamanitra? 18Ary raha 'ny ôlo-marina aza ila tsy ho vôvonjy, amin'ny fomba ahôgna no hisehoan'ny ôla tsy an'Andriamanitra sy ny mpanota? 19No zany aoka reo ze mijaly nony sitrapon'Andriamanitra hanankina ny fagnan'jareo amin'ny Mpamorona matoky amin'ny fagnanôvan-tsoa.
Chapter 5

1Magnanatra reo loholona aminareo za, za ze loholona namana. Za ihany kô de vavolombelon'reo fijalen'i Kristy, ary kô mpikambana akao amin'ny voninahitra ze efa haseho. 2No zany, magnanatra an'nareo za, ry loholona, ambeso ny ondrin'Andriamanitra ze akeo aminareo. Arao maso izy regny, tsy amin'ny faneriteterena, fa amin'ny sitraponareo, araka ny sitrapon'Andriamanitra. Arao maso izy regny, tsy amin'ny vola maloto, fa an-tsitrapo. 3Aza manjakazaka amin'ny ôla ze ambesanareo. Fa kosany, ôka ho fitaratra ho an'ny ondry. 4Ary rafa miseho le Lohan'ny mpiandry ondry, de ahazo satro-boninahitra tsy mety simba nareo.5Salan'zany kô; nareo tanora fagna, magneke ny ôlo geda. Nareo daôly, tafio fagnetren-tegna ny tegnanareo ary mifanompo. Fa Andriamanitra manoitra ny mpirehareha, fa magnome fasoavana ny mpagnetry tegna. 6No zany magnetre tegna akeo ambanin'ny tagna-maherin'Andriamanitra mba hanandratany an'nareo am'zany fotôna zany. 7Apetrao akeo aminy ny fagnanareo daôly, satria Izy no miahy an'nareo.8Mahonona tegna, membena. Ny favalonareo, de ny devoly, mignodidigna ôtran'ny liona mitrerogna, mitady ze ôla ho arapagny. 9Manoera an'azy. Miorena amin'ny finônareo. Fantatrareo fa zany fahorena zany de manjo ny firaisan'reo mpino magnerana an'zao tontolo zo ihany kô.10Rafa avy nijaly nandritra ny fotôna foika nareo, ny Andriamanitra ny fasoavana daôly, ze nagnantso an'nareo ho amin'ny voninahiny mandrakizay akao amin'i Kristy, de hatanteraka an'nareo, hanangana an'nareo, ary hampahery an'nareo. 11Ho an'Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.12Raisiko ôtran'ny rahalà matoky i Silasy, ary nanoratra teny foika ho an'nareo tamin'ny alalany za. Magnanatra an'nareo za ary magnambara an'nareo fa ze nosoratako de fasoavana marin'Andriamanitra. Mijoro am'zany. 13Ny vevavy ze aigny Babylona, ze vôfidy niaraka taminareo, magnano veloma an'nareo. Ary kô i Marka, zanako là, magnano veloma an'nareo. 14Mifagnanôva veloma amin'ny fagnorom-pitiavana. Ho aminareo daôly anie ny fiadanana ze akao amin'i Kristy.

2 Peter

Chapter 1

1simona Petera, mpanompo sy apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'reo ze nahazo ny finona sarobidy ôtran-ze noraisinay, finona akao amin'ny famarinan'ny Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy. 2Hampitombona ane ny fasoavana sy fedanana non'falalana an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.3Reo ra daôly makasika ny herin'Andriamanitra ho an'ny fiaignana sy toe-pagna de nomena antsika tamin'ny alalan'ny falalana an'Andriamanitra, ze nagantso antsika tamin'ny alalan'ny voninahiny sy ny fatsarany manôkana. 4Tamin'ny alalan'reo, nomeny teny fikasana tsara sady geda indrindra isika, mba ho tonga mpizara amin'ny fomban'Andriamanitra anareo, raha nilefa ny falotoana ze aketo an-tany noho reo filàn-dratsy.5No zany, magnanôva ny tsara ndrindra mba hagnampena fahatsarana amin'ny alalan'ny finonareo, ary amin'ny alalan'ny fahatsaranareo, ny fahalalana. 6Amin'ny alalan'ny falalanareo, magnampe fahonognam-po, ary amin'ny alalan'ny fahonognam-ponareo, magnampe toe-pagna. 7Amin'ny alalan'ny toe-panganareo, magnampe fitiavana rahalà, ary amin'ny alalan'ny fitiavana rahalà, manampe fitiavana.8Raha akao aminareo reo ary mitombo akao aminareo, de tsy hamô na tsy hamokatra amin'ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompontsika anareo. 9Fa na iza na iza tsy ampy reo ra reo de tsy mahita afa-tsy ze akaiky; jamba izy. Tsy tsarôvany ny fagnadiovana an'azy tamin'reo fahotany talô.10No 'zany, ry rahalà, atôvy ny daôly mba hazahôgna antoka ny fentsona sy ny fifidianana anareo. Raha Magnano reo ra reo nareo, de tsy ho vôfingana.11 Am-zany de malalaka ho anareo ny fidirana akao amin'ny fanjakana mandrakizay ze an'ny Tompontsika sy Jesosy Kristy mpamonjy.12No 'zany de vonona fôgna za hampatsiaro an'nareo reo za reo, na de fantatrareo aza reo, na de matanjaka akao amin'ny marina aza anareo am-zao fotôgna zao. 13Za mieritreritra fa rariny amiko ny mamô an'nareo amin'ny fampatsehivana reo ra reo, raha mbola aketo amin'ty trano-lay ty za. 14Satria fantatro fa tsy ho ela de alàko ny tragno-laiko, ôtran-ze nabôgnan'i Jesosy Kristy Tompontsika anà. 15Ary ho ataoko ze farany vitako mba hatserovanareo mandrakariva reo ra reo rafa lasa za.16Fa zahay de tsy nagnaraka angano tsara rafitra ze noforonina rafa niresaka taminareo ny momban'ny hery sy ny nibôgnan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Fa kosa, zahay de vavolombelona nahita ny fendrianany. 17Fa Izy de naharay laza amam-boninahitra avy tamin'Andriamanitra Ray rafa nisy feo tonga takeo Aminy tam-le voninahitra gedabe ndrindra hoe: "Ity no Zanako malalako, ze sitrako ndrindra." 18Naharegny zany feo avy taigny an-danitra zany zahay, rafa niaraka taminy taigny an-tanety masina.19Tsika de managna ty teny faminagnina ze efa natao mafy orina ty. Tokony hitandrina ze tsara anareo. Zany de ôtran'ny jiro mazava akao agnaty haizigna mandra-piavin'ny maraigna sy ny kintan'ny maraigna miposaka akao am-ponareo. 20Fantaro alô zao, fa tsy misy faminagniana avy amin'ny famoan-kevitry ny ôla.21 Fa tsy misy faminagniana avy tamin'ny sitrapon'ny ôla. Fa kosa, notarihan'ny Fanahy Masina izy regny mba hiteny ze notinenin'Andriamanitra.
Chapter 2

1Ny mpaminagny sandoka de tonga takeo amin'ny ôla, ary ny mpampianatra sandoka iany kô de ho avy akeo aminareo. Hitondra mangingina sain-diso mamotika zareo. Izy reo de mitondra fapotena malaky am-jareo. 2Betsaka no hagnaraka ny fijejojejoan-jareo, ary amin'ny alalan-regny, ary amin'ny alalan-regny no hitenenan-dratsy ny lalan'ny famarinana. 3Amin'ny fieremana no hagnararaotany anareo miaraka amin'ny teny mamitaka. Tsy ho ela ny fagnamelohana an'izy regny, tsy matory ny fapotehan'izy regny.4Fa Andriamanitra tsy namindra fo an'reo anjely ze nanota. Fa kosa natolony ho amin'ny vilany tany izy reo mba ho vôtazona amin'ny gadran'ny famaizana mandra-piavin'ny fitsarana. (Fanamarihana: Ny dikan-teny talô sasagny de mivaky salan'zao: "Mba ho fatorana akao amin'ny lavaky ny famaizinana mandra-piavin'ny fitsarana.") 5Ary iany kô, tsy namela izao tontolo zao talô Izy. Fa kosa, namonjy an'i Noa ze mpitory ny famarinana, miaraka amin'ny fito hafa, rafa nitondra ny safo-drano tamin'ny ratsy fagna teto am-zao tonotolo zao izy. 6Andriamanitra iany kô de nagnano reo tanànan'i Sodoma sy Gomora ho lavenona ary nanameloka an'azy reo ho amin'ny fahapotena, ho salan'ny ohatra am-ze hitranga amin'ny ratsy fagna.7Fa i Lota marina, ze nampahorina tamin'ny fitondran-tegnan'reo ôla tsy ara-dalàna tamin'ny fijejojejoana, de novonjen'Andriamanitra. 8Fa zany leila marina zany, ze niaigna niaraka tam-jareo isan'andro, de fadiranovana tamin'ny fagnain'ny fahamarinany no ze tazagny sy reigniny. 9Fantatry ny Tompo ny fomba hamonjena ireo ôla tsara fagna am-reo fitsapana, sy ny fomba hitazomana reo ôla tsy marina ho amin'ny famaizana amin'ny andron'ny fitsaràna.10Marina indrindra zany ho an'reo ze manoy amin'ny fagniriana ratsin'ny nofo sy magnano tsinontsinona ny faefana. Sahy sy mitompo teny fatratra zareo. Izy reo de tsy mataotra hitare ratsy reo be voninahitra. 11Reo anjely de magnana hery sy faefagna goavana, fa zareo de tsy mitondra fitsarana maniratsira manoitra an'azy reo amin'ny Tompo.12Fa reo biby tsy magnan-tsaigna reo de natao ho samborina sy potena. Tsy fantan-jareo ze tsiratsirain-jareo. Ho potika zareo. 13Handray ny valisôn'ny ra ratsy natony zareo. Mieritreritra zareo fa ny tsy fiafina mandritry ny andro de fafinaretana. Zareo de be pentipentina sy tsigny. Mafinaritra an'jareo ny asa famitahan-jareo rafa mignana miaraka aminareo. (Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny de mivaky salan-zao: "Mafinaritra an'jareo rafa mignana miaraka aminareo amin'ny sakafom-pifakatiavana.") 14Adalam-bevavy mijangajanga izy reo; tsy afa-po amin'ny fahotana miitsy zareo. Mitarika fagna tsy mety maty ho amin'ny fagnaovan-dratsy zareo, ary magnana fo vôofagna amin'ny fitsiriritana zareo. Zanaky ny fagnozonana izy regny!15Niala tamin'ny lala-maitsy zareo. Lasa nivily izy reo, ary nanaraka ny lalan'i Balama zanak'i Beora, ze te ny tambin'ny tsy famarinana. (Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny de salan-zao: "Balama, zanak'i Bosora." 16Fa nahazo teny mafy izy nony fandikan-dalàny manokana. Nisy boriky môgna nitare tamin'ny feon'olombelona nanajanona ny adalan'le mpaminagny.17Reo ôla reo de ôtran'ny lôtaona tsisy orana. Salan'ny rôndro entin'ny tafio-drivotra zareo. Natokana ho an'jareo ny haizigna matevina. 18Miteny tsy am-peverana zareo. Izy reo de mitôgna ny ôla amin'ny alalan'ny filàn'ny nofo miezaka mandositra reo ze miaigna amin'ny fadisoana. 19Izy reo de mampanatena fahafana ho an'jareo, kanefa izy tegnany ary de andevon'ny falotoana. Fa ny ôla de andevon-ze daôly maresy an'azy.20Na iza na iza afaka am-reo falotôn-zao tontolo zao amin'ny alalan'ny fahalalana ny Tompo sy Jesosy Kristy Mpamonjy, ary avy akeo miverigna am-reo falotôgna indray, de manjary ratsy no le toe-javatra vôlôny le toe-javatra farany. 21Tsara kokoa ho an'jareo ny tsy mafantatra ny lalan'ny fahamarinana nony mafantatra ze de hivadika amin'ny didy masina natolotra an'jareo. 22Marina ho an'jareo ty ohabolana ty hoe: "Ny ambô no miverigna amin'ny lôany. Ny kisoa efa nisasa miverigna mihoso-potaka."
Chapter 3

1Am-zao fotôgna zao, ry malala, manoratra ho an'nareo ity taratasy faro ity za ho fampatsiaivana nindesina hamporisina ny saignanareo madio, 2mbo hatsiarovanao reo teny nolazain'ny mpaminagny masina teigny talô sy ny didin'ny Tompo sy Mpamojy an'ntsika ze namen-reo Apostolinareo.3Fantaro alô zao, fa ny mpaniratsira de ho avy amin'ny andro farany. Zareo de habôgna ary hande araka ny filàn-jareo manokana. 4Zareo de hitare hoe: "Aiza ny fampagnantenana ny amin'ny fiveregnany? Fa hatrizay noden'ny razambe mandry, de tsy nova ny ra daôly, eny fa hatramin'ny fiantoboan-zao tontolo zao aza."5Zareo de minia magnadino fa ny lagnitra sy ny tany de nisy avy tamin'ny rano ary tamin'ny alalan'ny rano, fotona ela, 6nohon'ny didin'Andriamanitra, ary tamin'ny alalan'reo ra reo, nandravàna ny tontolo tam-zany fotôgna zany, tamin'ny tondra-drano. 7Fa am-zao fotôgna zao ny lagnitra sy ny tany de natokana ho an'ny afo amin'ny alalan'io didy io iany. Zareo de vôtokana ho amin'ny andron'ny fitsarana sy ny fandringanana ny ôla ratsy fagna.8Ôka tsy ho adinonareo, ry malala, fa ny indray andro amin'ny Tompo de ôtran'ny arivo taona, ary ny arivo taona de ôtran'ny indray andro. 9Ny Tompo de tsy ela amin'ny fagnatanterana reo fampagnantenany, araka ze lazain'ny sasagny ho fahelany. Fa kosa, Izy de maharitra aminareo. Tsy tiny hisy ho very anareo, fa mba ho tonga amin'ny fibebana ny daôly.10Na zany aza, ho avy ôtran'ny mpangalatra ny andron'ny Tompo: Ny lagnitra de hanjavona miaraka amin'ny feo mafy. Ny ra daôly de ho main'ny afo, ary ny tany sy reo asa akao am'azy de hambara. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny sasagny de mivaky ôtran-zao: "Ny ra daoly de ho main'ny afo, ary ny tany sy reo asa akao am'azy de ho dorôna daôly."]11Ka raha ho levona ôtran-zany zao ra daôly zao, de tokony ho ôla manakôry ma anareo? Tokony hiaigna amin'ny fahamasinana sy ny fiaignana araka an'Andriamanitra anareo. 12Tokony hagnantegna ary hampalaky ny fiavin'ny andron'Andriamanitra anareo. Am-zany andro zany, ny lagnitra de ho levon'ny afo, ary ny ra daôly de hiempo amin'ny hafagnana be. 13Fa araka ny fampanantenany, de miandry ny lagnitra vaovao sy tany vaovao tsika, ze hitôran'ny famarinana.14No zany, ry malala, satria magnantegna zany ra zany anareo, magnanôva ny tsara ndrindraka avy aigny aminareo mba tsisy pentina sy tsy hagnan-tsigny akeo agnatrehany, am-pedanana. 15Ary zao kô, eritrereto ny faretan'ny Tompontsika amin'ny famonjena, ôtran'ny nosoratan'i Paoly rahalà malalantsika taminareo, araka ny fahendrena ze namena an'azy. 16Paoly de mikoragna zany ra zany akao amin'ny taratasiny daôly, ze misy ra sarotra takarina. Ôla tsy misy falalana ary tsy miorina no magnova regny ra regny, ôtran'ny hagnanôvany reo soratra masina hafa iany kô, ka matonga faverezana ho an'ny tegnany.17No zany, ry malala, satria fantatrareo zany ra zany, de tandremo ny tegnanareo mba tsy ho vôfandriky ny fitakin'ny ôla ratsy fagnahy ka ho very ny famarinanareo. 18Fa mitomboa amin'ny fasoavana sy ny falalana ny Tompontsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. Ho an'azy anie ny voninahitra am'zao ary mandrakizay. Amena!

1 John

Chapter 1

1Ze hatramin'ny fendohana sy ze efa reigninay, ze efa tazagnay, ze efa nojerenay, ary ze efa nokasin'ny tagnanay, zany de momba ny Tenin'ny fiaignana. 2Salan'zany ihany kô, ny fiaignana de nampafantarian, ary efa tazagnay zany, ka mitsangana vavolombelona am'zany zahay. Zahay de magnambara aminareo ny fiaignana mandrakizay, ze tao amin'ny Ray, ary ze efa nampafantarian an'nay.3Ze efa tazagnay sy reigninay de ambaranay aminareo ihany kô, mba hanagnanay fifandraisana aminay kô. Ny fifandraisana misy akeo aminay de amin'ny Ray sy amin'ny Zanany, Jesosy Kristy. 4Salan'zany ihany kô, manoratra an'reo ra reo ho an'nareo zahay mba ho tanteraka ny fifalentsika. [Fagnamarihana: Reo dikan-teny talô sasagny de mivaky salan'zao: "Ary manoratra reo ra reo zahay mba ho tanteraka ny fifalenareo."]5Zao no hafatra ze efa reigninay avy tamin'azy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra de fazavana, ary akao amin'Azy de tsy misy haizina mihitsy. 6Raha milaza tsika fa managna fifandraisana amin'Azy ary mande akao agnatin'ny haizigna, de mandenga tsika ary tsy magnano ny marina.7 Kanefa raha mande akao amin'ny fazavana tsika ôtran'Azy, de managna fifandraisana amin'ny tsiraikaraika avy tsika, ary ny ràn'i Jesosy Zanany no manadio antsika amin'ny fahotana daôly.8Raha milaza tsika fa tsy manam-pahotana, de mamitaka ny tegnantsika tsika, ary ny famarinana de tsy akao amintsika. 9Nefa raha miaiky reo fahotantsika tsika, Izy de matoky sy marina amin'ny famelana reo fahotantsika ary magnadio antsika amin'ny tsy famarinana daôly. 10Raha milaza tsika fa tsy mbola nanota, de magnano an'Azy ho mpandainga, ary tsy akao amintsika ny teniny.
Chapter 2

1Anaka, manoratra reto ra reto za mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy manota, de managna mpisolo vava tsika miaraka amin'ny Ray, Jesosy Kristy, le marina. 2Izy no fagnavotana an'reo fahotantsika, ary tsy ny antsika ihany, fa ny an'zao tontolo zao raika manontolo ihany kô. 3Am'zany no afantarantsika fa mafantatra an'Azy tsika: Raha mitandrina reo didiny tsika.4Le miteny hoe: "Mafantatra an'Andriamanitra za," fa tsy mitandrina reo didiny, de mpandainga, ary ny marina de tsy akao amin'azy. 5Fa n'iza n'iza mitandrina ny teniny, marina tokôtra, de akao am'zany ôla zany no nagnatanterana ny fitiavan'Andriamanitra. Am'zany no afantarantsika fa akao amin'Azy tsika. 6Le raika ze miteny fa mitôtra akao amin'Andriamanitra de tokony ande ihany kô izy salan'ny nandehanan'i Jesosy Kristy.7Ry malala, tsy manoratra didy vaovao ho an'nareo za, fa didy talô ze efa nanagnanareo hatramin'ny fendohana. Ny didy talô de ny teny ze reigninareo. 8Fa manoratra didy vaovao ho an'nareo za, ze marina akao amin'ny Kristy sy akao aminareo, satria ny haizina de mandalo, fa ny fazavana marina de efa mamiratra.9Le raika ze miteny fa akao amin'ny mazava izy ary makahala ny rahalany de akao agnatin'ny haizigna hatramin'zao. 10Le raika ze mitia ny rahalany de mitôtra akao amin'ny mazava ary tsy hisy fotôna hanafitohinana an'azy. 11Fa le raika ze mankahala ny rahalany akao amin'ny haizina de mandeha akao amin'ny haizigna; izy de tsy mafantatra ze aleny, satria ny haizigna de efa najamba ny masony.12Manoratra ho an'nareo za, ry zanaka malala, satria reo fahotanareo de vôvela non'ny agnarany. 13Manoratra ho an'nareo za, ry ray, satria fantatrareo le raika avy amin'ny fendohana. Manoratra ho an'nareo za, ry gaogna, satria noresenareo le ratsy. 14Efa nanoratra ho an'nareo za, ry zaza madinika, satria nareo de mafantatra ny Ray. Efa nanoratra ho an'nareo za, ry ray, satria fantatrareo le avy amin'ny fendohana. Efa nanoratra ho an'nareo za, ry gaogna satria mafy nareo, ary ny tenin'Andriamanitra de mitôtra akao aminareo, ary nareo de efa nandesy le ratsy.15Aza mitia an'zao tontolo zao na reo ra akeo amin'azy. Raha misy mitia an'zao tontolo zao, de tsy akao amin'azy ny fitiavan'ny Ray. 16Fa ny ra daôly ze akao am'zao tontolo zao de ny filan'ny nofo, ny filan'ny maso, ary ny fieboebon'ny fiaignana ze tsy avy amin'ny Ray fa avy am'zao tontolo zao. 17Zao tontolo zao sy ny filany de mandalo. Fa n'iza n'iza magnano ny sitrapon'Andriamanitra de hitoetra mandrakizay.18Ry zaza madinika, ty no ora farany. Ôtran'ny efa reigninareo fa ho avy ny anti-Kristy, am'zao maro reo anti-Kristy ze efa tonga. Am'zany no afantarantsika fa tsy no ora farany. 19Niala tamintsika zareo, kanefa tsy avy amintsika. Fa raha tamintsika zareo de nitoetra niaraka tamintsika. Fa rafa niala zareo, de nampiseho fa tsy tamintsika.20Fa managna fagnosorana avy am'le Masina nareo, ary fantatrareo daôly ny marina. (Fagnamarinana: misy dikan-teny hafa sasagny vaovao ze mivaky hoe: "Managna ny falalana daôly nareo." Ny dikan-teny sasagny talô de mivaky hoe: 'Ary fantatrareo ny ra daôly.") 21Tsy nanoratra ho an'nareo za satria nareo de tsy mahalala ny marina, fa satria fantatrareo zany ary tsy misy lainga avy amin'ny marina.22Iza no mpandainga fa tsy le raika ze mandà fa i Jesosy no Kristy? Zany ôla zany de le anti-Kristy, rafa mandà ny Ray sy ny Zanaka izy. 23Tsy misy ôla ze mandà ny Zanaka ka hanagna ny Ray. N'iza n'iza magneky ny Zanaka de managna ny Ray.24Fa ho an'nareo, aoka ze reigninareo hatramin'ny fedohana hitoetra akao aminareo. Raha ze reigninareo hatramin'ny fedohana no mitoetra akao aminareo, de hitoetra akao amin'ny Zanaka sy akao amin'ny Ray ihany kô nareo. 25Zany no fampanantenana nomeny antsika: de ny fiaignana mandrakizay. 26Efa nanoratra an'zany ra zany ho an'nareo za momban'reo ze hitondra an'nareo amin'ny lalan-diso.27Fa ho an'nareo, le hosotra ze noraisinareo avy tamin'Azy de hitoetra akao aminareo, ary nareo de tsy mila ôla mampianatra an'nareo. Fa salan'ze nampenarin'ny fagnosorana an'nareo ny ra daôly de marina ary tsy lainga, ary salan'ze efa nampenarin'zany nareo, de mitôtra akao amin'Azy. 28Am'zao, ry zanaka malala, mitoetra akao amin'Azy, rafa mibôgna Izy, de hanagna fasahiana tsika ary tsy ho menatra akeo agnatrehany amin'ny feviany.29 Raha fantatrareo fa izy no marina, fa tantatrareo fa ze daôly magnano ny mety de teraka tamin'Azy.
Chapter 3

1Salan'ino ny fitiavana nomen'ny Ray antsika, mba hentsovana antsika hoe zanak'Andriamanitra, ary zany tsika. No zany antony zany, zao tontolo zao de tsy mafantatra antsika, satria tsy mafantatra an'azy. 2Ry malala, zanak'Andriamanitra tsika am'zao, ary zany de mbola tsy nolazaina hoe salan'ino tsika. Tsika de mafantatra fa rafa mibôgna i Kristy, de ôtran'Azy tsika, satria natazagna an'Azy ôtran'Azy tsika. 3Reo ze managna an'zany fatokisana momba ny ho avy mifototra amin'azy de magnadio ny tegnany mba hadio salan'Azy.4Reo ze manota de magnano ze tsy ara-dalàna; fa ny fahotana de tsy ara-dalàna.5 Nareo de mafantatra fa i Kristy de nambara mba hagnala an'reo fahotana, ary akao amin'azy de tsy misy fahotana. 6Tsisy ôla ze mitoetra akao amin'azy ka mbola hanota hatraigny. Tsisy ôla mbola manota natazagna an'Azy na nafantatra an'Azy.7Ry zanaka malala, aza avela hisy ôla hamitaka an'nareo. Le raika ze magnano ny famarinana de marina, salan'ny mahamarina an'i Kristy. 8Le manota de avy amin'ny devoly, fa ny devolo de nanota hatraigny am-pendohana. No zany antony zany ny Zanak'Andriamanitra de nabôgna mba hafahany mamotika an'reo asan'ny devoly.9N'iza n'iza naterak'Andriamanitra de tsy hanohy ny fahotana satria ny vô avy tamin'Andriamanitra de mitoetra akao amin'Azy. Tsy afaka manohy ny fahotana izy satria naterak'Andriamanitra. 10Akao am'zany no hampisehôna reo zanak'Andriamanitra sy reo zanaky ny devoly. N'iza n'iza tsy magnano ny marina de tsy avy amin'Andriamanitra; na raika ze tsy te ny rahalany ihany kô aza.11Fa zany no hafatra ze efa reigninareo hatraigny am-pendohana: fa tsikaa de tokony mifankate, 12fa tsy ôtran'i Kaina, ze avy am'le ratsy sy namono ny rahalany. Fa nagnino izy no namono an'azy? Satria reo asany de ratsy, ary ny an'ny rahalany de marina.13Aza gaga, ry rahalako, raha mankahala an'nareo ny tany. 14Fantatsika fa efa niala tamin'ny fafatesana mankeigny amin'ny fiaignana tsika, satria te an'reo rahalany tsika. 15Ze tsy te de mitôtra aigny amin'ny fafatesana. Ze mankahala ny rahalany de mpamono ôla. Fantatrareo fa tsy misy mpamono ôla managna fiaignana mandrakizay mitôtra akao amin'azy.16Am'zany no hafantarantsika ny fitiavana, satria Kristy nagnolotra ny aigny ho antsika. Tsika ihany kô de tokony magnolotra ny aigntsika ho an'reo rahala. 17Fa n'iza n'iza managna ny haren'zao tontolo zao, ka matazagna ny fasahiranan'ny rahalany, ry magnidy ny fony tsy hangoraka an'azy, amin'ny fomba manakôry no itoeran'ny fitiavan'Andriamanitra akao amin'azy? 18Ry zanako malalako, aoka tsika tsy hite amin'ny teny na ko amin'ny vava, fa amin'ny asa sy famarinana.19Avy am'zany no hafantarantsika fa avy amin'ny famarinana tsika, ary mampatoky ny fontsika akeo agnatrehany tsika. 20Fa raha magnameloka antsika ny fontsika, Andriamanitra de geda nony fontsika, ary mafantatra ny ra-daôly Izy. 21Ry malala, raha tsy magnameloka antsika ny fontsika, de managna fatokisana an'Andriamanitra tsika.22 N'ino n'ino angatantsika de ho azontsika avy amin'Azy, satria tsika mitandrina reo didiny sy magnano ze ankasitrahany akeo agnatrehany.23Zao no didiny: tokony mino ny agnaran'ny Zanany Jesosy Kristy ary mifankate tsika, salan'ny efa nagnomezany antsika an'zany didy zany. 24Ny raika ze mitazona an'reo didin'Andriamanitra de mipetra akao amin'Azy. Am'zany no afantarantsika fa izy de mipetraka akao amintsika, amin'ny Fagna ze nameny antsika.
Chapter 4

1Ry malala, aza mino ny fagna daôly. Fa kosany, tsapao reo fagna mba ahitana fa avy amin'Andriamanitra izy reo, satria mpaminagny sandoka maro no efa tonga am'zao tontolo zao. 2Am'zany no afantaranareo ny Fagnan'Andriamanitra ny fagna ze magneky an'i Jesosy Kristy ze tonga nofo de avy amin'Andriamanitra, 3ary ny fagna daôly ze tsy magneky fa Jesosy de tsy avy amin'Andriamanitra. De zany ny fagnan'ny anti-Kristy, ze efa reigninareo fa ho avy, ary am'zao de efa aketo amintsika zany. [Fagnamarinana: Ny dikan-teny talô sasagny de mivaky ôtran'zao: "Ary ny fagna daôly ze tsy magneky fa Jesosy tonga nofo de tsy avy amin'Andriamanitra. De zany ny fagnan'ny anti-Kristy, ze efa reigninareo fa ho avy, ary am'zao de efa aketo amintsika zany.]4Anareo de avy amin'Andriamanitra, ry zanaka malala, ary efa nandresy an'azy reo, satria le raika ze akao aminareo de geda mihôtra no le raika ze aketo am'zao tontolo zao. 5Zareo de avy am'zao tontolo zao; no zany ze lazain'jareo de avy am'zao tontolo zao daôly, ary zao tontolo zao de mitaino an'jareo. 6Avy amin'Andriamanitra tsika. Ze mafantatra ny Tompo de mareigny antsika. Izy ze tsy avy amin'Andriamanitra de tsy mareigny antsika. Am'zany no afantarantsika ny fagnan'ny famarinana sy ny fagnan'ny tsy fahadisoagna.7Ry malala, aoka tsika hifankate, fa ny fitiavana de avy amin'Andriamanitra, ary mitia de naterak'Andriamanitra daôly sy mafantatra an'Azy. 8Ny ôla ze tsy mitia de tsy mafantatra an'Andriamanitra, satria Andriamanitra de fitiavana.9No zany ny fitiavan'Andriamanitra de nambara tamintsika, fa Andriamanitra de nandefa ny Zanany là tokana ho an'zao tontolo zao mba ho velona no Izy tsika. 10Akao am'zany fitiavana zany, tsy ny fitiavantsika an'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ary ny nandefasany ny Zanany là ho fagnavotana reo fahotantsika.11Ry malala, raha te lôtra antsika Andriamanitra, de tokony hifankate ihany kô tsika. 12Tsy mbola nisy natazagna an'Andriamanitra. Fa raha mifankate tsika, de mitôtra akao amintsika Andriamanitra ary ny fitiavany de tanteraka akao amintsika. 13Am'zany no afantarantsika fa mipetrak akao amin'Azy tsika ary izy akao amintsika, satria izy de nagnome antsika ny sasagny amin'ny Fagnany. 14Ary ihany kô, efa natazagna tsika sy efa mijoro vavolombelona fa ny Ray de efa nandefa ny Zanany là ho Mpamonjy an'zao tontolo zao.15N'iza n'iza magneky fa Jesosy de Zanaka làn'Andriamanitra, de mipetra akao amin'azy Andriamanitra ary izy akao amin'Andriamanitra. 16Tsika ihany kô de nafantatra ary nino ny fitiavana ze efa nagnanan'Andriamanitra ho antsika. Andriamanitra de fitiavana, ary le raika ze mipetra am'zany fitiavana zany de mipetraka akao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra de mipetraka akao amin'azy.17No zany fitiavan zany de notanterahina tamintsika, mba hanagnantsika fatokisana amin'ny andron'ny fitsarana, satria ôtran'Azy, de ôtran'zany kô tsika aketo am'ty tany ty. 18Tsisy tatra akao amin'ny fitiavana. Fa kosany, ny fitiavana tanteraka de magnala ny tatra, satria ny tatra de tsy maintsy miaraka amin'ny sazy. Fa le raika ze matatra de tsy natao ho tanteraka akao amin'ny fitiavana.19Mitia tsika satria Andriamanitra nite antsika vôlôny. 20Raha misy ôla miteny hoe: "Teko Andriamanitra" nefa mankahala ny rahalany, de mpandainga izy. Fa le raika ze tsy mite ny rahalany, ze hitany de tsy afaka ny hite an'Andriamanitra, ze tsy hitany. 21Ary zany ihany kô no didy ze anagnantsika avy amin'Azy: N'iza n'iza mitia an'Andriamanitra de tsy maintsy mitia ny rahalany ihany kô.

Chapter 5

1N'iza n'iza mino fa i Jesosy no Kristy naterak'Andriamanitra, ary n'iza n'iza te ny Ray ihany kô de te ny zanaka naterany. 2No zany no afantarantsika fa tentsika reo zanak'Andriamanitra: rafa te an'Andriamanitra sy magnatanteraka reo didiny tsika. 3Satria zany no fitiavana ho an'Andriamanitra de ny hagnatanterantsika reo didiny. Ary reo didiny de tsy mavesatra.4Fa ny ôla daôly ze naterak'Andriamanitra de mandresy an'zao tontolo zao. Ary zany de fandresena ze efa nandresy an'zao tontolo zao: ny finôntsika. 5Iza le raika ze mandresy an'zao tontolo zao? Le raikaze mino fa i Jesosy de Zanak'Andriamanitra.6Zany de le tonga tamin'ny rano sy rà: Jesosy Kristy. Izy de tonga tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy rà. 7Fa misy telo ze mijoro vavolombelona: 8Ny Fagna, ny rano, ary ny rà. Reo telo reo de mifanaraka. [Fagnamarinana: Ny dikan-teny talô sasagny de mivaky ôtran'zao: "Fa misy telo ze mijoro vavolombelona aigny an-dagnitra: ny Ray, sy ny Teny, ary ny Fanahy Masina; ary reo telo reo de raika. Ary misy telo ze mijoro vavolombelona aketo ambonin'ny tany: Ny Fagna, ny rano, ary ny rà; ary reo telo reo de ôtran'ny raika." Na zany aza, reo dikan-teny tsara indrindra de tsy mivaky salan'zany.]9Raha mandray ny fijorôna vavolombelon'ny ôla tsika, de ho geda kokoa ny fijorôna vavolombelon'Andriamanitra. Fa ny fijorôna vavolombelon'Andriamanitra de zao: izy de mijoro vavolombelona makasika ny Zanany. 10N'iza n'iza mino ny Zanak'Andriamanitra de managna fijorôna vavolombelona akao am'ze tegnany. Ze tsy mino an'Andriamanitra de magnano an'Azy ho mpandainga, satria izy de tsy nino ny fijorôna vavolombelona ze efa namen'Andriamanitra makasika ny Zanany.11Ary ny fijorôna vavolombelona de zao: Andriamanitra de nagnome antsika fiaignana mandrakizay, ary zany fiaignana zany de akao am'Zanany. 12Le raika ze managna ny Zanaka de managna ny fiaignana. Ny ôla ze tsy managna ny Zanak'Andriamanitra de tsy managna fiaignana.13Efa nagnoratra reto ra reto ho an'nareo za mba hafantaranareo fa managna ny fiaignana mandrakizay nareo ho an'nareo ze mino ny agnaran'ny Zanak'Andriamanitra.14 Ôtran'zany ihany kô; zao no fifagnekena ze anagnantsika akeo agnatrehany, fa na ino na ino angatantsika araka ny sitrapony, de mareigny antsika Izy. 15Ôtran'zany ihany kô, raha fantantsika fa mareingy antsika Aminy-de fantantsika fa azontsika ze daôly nangatantsika tamin'azy.16Raha misy ôla raika mahita ny rahalany magnano fahotana ze tsy miteraka fafatesana, tsy maintsy mivavaka izy, ary Andriamanitra de hagnome fiaignana ho an'azy. Za de mampità reo ze managna fahotana tsy miteraka fafatesana. Misy fahotana ze miteraka hafatesana; tsy mety za hoe tokony hivavaka am'zany izy. 17Ny tsy famarinana de fahotana, nefa misy fahotana tsy miteraka fafatesana.18Fantantsika fa n'iza n'iza naterak'Andriamanitra de tsy manota. Nefa le raika ze naterak'Andriamanitra de miaro ny tegnany, ary ny ratsy de tsy afaka ny akasika an'azy. 19Fantantsika fa avy amin'Andriamanitra tsika, ary zao tontolo zao de mipetraka akao amin'ny ratsy.20Kanefa fantantsika fa ny Zanak'Andriamanitra de efa tonga ary efa nagnome antsika fazavan-tsaigna mba afatarantsika le raika ze tegna marina. Salan'zany ihany kô, tsika de akao amin'le raika ze marina, akao amin'i Jesosy Krisy Zanany. Izy no Andriamanitra marina ary fiaignana mandrakizay. 21Anaka, arovy am'reo sampy ny tegnanareo.

Jude

Chapter 1

1Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy raika, rahalan'i Jakoba, ho an'reo ze antsovina hoe, malala akao amin'Andriamanitra le Ray, sy vôtahiry ho an'i Jesosy Kristy. 2Hampitomboina ho aminareo anie ny famindram-po sy ny fedanana ary ny fitiavana.3Ry malala, raha igny nagnano ny ezaka hanoratra ho an'nareo ny makasika ny famonjena hiombonantsika igny za, de nanoratra ho an'nareo za mba hanosika an'nareo hiady mafy ho an'le finona ze efa natolotra ho an'reo mpino. 4Fa ho an'ôla sasagny nisisika antsokosoko akeo aminareo. Reo de ôla vômarika ho an'ny fagnamelohana. Reo de ôla ratsy fagna ze manivateva ny fasoavan'Andriamanitra ho aigny amin'ny fijejojejona, ary de mandà ny Andriana sy ny Tompo tokantsika de Jesosy Kristy.5Am'zao za de te hampatsiaro an'nareo na de efa fantatrareo tanteraka ary zany fa ny Tompo de nagnavotra ny ôla avy tao amin'ny tany Egypta, fa tafaran'zany de naripagny daôly ze tsy nino. 6Ary reo anjely ze tsy nitana ny fahefana ze napetraka tam'jareo, fa ze niala ny fonenan'jareo - Andriamanitra de namatotra an'azy reo tamin'ny fatorana mandrakizay, akao amin'ny maizin-kitroka tanteraka, ho amin'ny andron'ny fitsarana leibe.7Salan'i Sodoma sy Gomoro sy reo tanàna magnodidina an'jareo, ze nagnolotra ny tegnan'jareo ho amin'ny fijangajangana sy ny fagnanôvana filana tsy ara-bôjanahary. De natao ôtra am'reo ze mijaly amin'ny fagnasazena aigny amin'ny afo mandrakizay izy reo. 8Kanefa ôtran'zany ihany, reo mpanofinofy reo de mandoto ihany kô ny vatan'jareo, ary miteny ra ratsy manohitra an'reo manam-boninahitra.9Fa na de Mikaela arikanjely aza, rafa niady tamin'ny devoly sy nifanditra tamin'azy ny amin'ny fatin'i Mosesy, de tsy sahy niteny ratsy hagnameloka an'azy. Fa ozy kosany izy hoe: "Hagnanatra an'nao ny Tompo!" 10Fa reo ôla reo de miteny ratsy ny ra daôly tsy fantany. Ary ze fantany ôtran'ny falalan'ny biby tsy manan-tsaigna, zany no manimba an'azy reo. 11Loza ho an'azy reo! Fa raha nandeha tao amin'ny tanànan'i Kaina zareo, ary nanaraka ny fadisoan'i Balama hahazoana tamby. De ripaka tao amin'ny fikomian'i Kora zareo.12Reo daôly le ôla ze harambato misitrika akao amin'ny ahanim-pitiavanareo. Minana am-pamegnarana, mamoky ny tegnan'jareo ihany. Izy reo de rondro tsisy rano, ndesin'ny rivotra. Kakazo fararano tsisy vôny - indrôy maty, niala fakany. 13Izy reo de onjan-dranomasina mahery, mitopatopa mamorivory ny famegnaran'jareo. Kintana mirenireny zareo, ka vôtahiry ho an'azy mandrakizay ny famaintisan'ny maizina.14Ary Enoka, le faha fiton'i Adama, de efa naminagny momba an'reo, niteny hoe: "Indro! Ho avy ny Tompo miaraka am'reo masina amagn'alinalina. 15Ho avy Izy mba hagnatanteraka ny fitsarana ny ôla daôly. Ho avy Izy hampieky ny ôla ratsy fagna daôly tamin'ny asa vitany tamin'ny haratsem-pagnany, ary reo teny mafy daôly ze nolazain'ny ôla ratsy fagna hanohitra an'Azy." 16Reo de mpimonomonona, sy mpimenomenona, ze magnaraka ny filan-dratsin'jareo. Izy reo de mpieboebo fatratra, ze non'ny tombontsoan'jareo manokana, de mandoka ny hafa.17Fa nareo, ry malala, tadidio reo teny ze notenenin'reo apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika talô. 18Ozy zareo taminareo: "Fa amin'ny andro farany de hisy mpaniratsira ze hanaraka ny filan'ny haratsem-pagnany." 19Reo ôla reo de mitarika fisarana. Izy reo de ôla araka ny nofo, ary tsy managna ny Fagna.20Fa nareo ry malala, miorena tsara akeo amin'ny finonareo masina indrindra, ary mivavaha amin'ny Fanahy Masina. 21Mitôra nareo akao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ary andraso ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ze mitondra an'nao ho amin'ny fiaignana mandrakizay.22Mamindrà fo am'reo ze misalasala. 23Vonjeo ary tariho hiala amin'ny afo ny ôla sasagny. Ary ny sasagny indre amindrao fo amin-tatra. Mankahalà na de hatramin'ny akanjo nolotovin'ny nofo aza.24Ary ho an'ze miaro an'nareo mba tsy ho tafitohina, ary hatonga an'nao hijoro akeo agnatrehan'ny voninahiny, tsy misy tsigny ary am-pifalina leibe, 25amin'Andriamanitra tokana Mpamonjintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra, ny falebiazana, ny fahefana sy ny hery, talohan'ny fotôna daôly, am'zao fotôna zao ary mandrakizay. Amena.

Revelation

Chapter 1

1Ity fagnambarana an'i Jesosy Kristy ze namen'Andriamanitra an'azy hampisehôna an'reo mpanompony ny ra tsy maintsy hitranga. Nampafantariny zany tamin'ny alalan'ny fandefasany ny anjeliny ho an'u Jaona mpanompony. 2Jaona de nagnamarina ny momba ny tenin'Andriamanitra sy re fitsanganana vavolombelona momba an'i Jesosy Kristy sy reo ra daôly tazagny. 3Sambatra ze mamaky amin'ny feo mafy, ary ze mihaino ny tenin'zany faminagnena zany, sy ze mitandrina ze vôsoratra akao aminy, satria efa ankeiky ny fotôna.4Jaona nankaigny am'reo fiangonana fito taigny Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy am'le zao sy talô, ary ho avy, sy avy am'reo fanahy fito ze akeo agnatrehan'ny seza fendrianany, 5ary avy am'i Jesosy Kristy, ze vavolombelona marina, Lahimatô amin'ny maty, ary leben'ny mpanjakan'ny tany. Ho an'le te antsikana sy nagnafaka antsikana tam'reo fahotantsika tamin'ny ràny- 6Izy de nagnano antsika ho fanjakana, mpisorogna ho an'Andriamanitra sy Ray - ho Azy anie ny voninahitra sy ny fahefana landrakizay doria. Amena.7Indro, avy amin'ny rôndro Izy; ary ny maso daôly hatazagna an'Azy, na de ze nandefogna an'Azy aza. Ny firenena daôly ambonin'ny tany hitomagny an'Azy. Eny, Amena. 8"Za no Alfa sy Ômega" hoy ny Tompo Andriamanitra, "Le zao sy talô, ary ho avy, de Le Tsitoha." (Fagnamarihana: ny dikan-teny hafa talô de mivaky salan'zao: Za no Alfa sy Ômega, ny fiandohana sy fiafarana," hoy ny Tompo Andriamanitra)9Za, Jaona - rahalanareo sy le raika ze nizara taminareo takao agnatin'ny fijalena sy fanjakana ary ny faharetana akao amin'i Jesosy Kristy - de takao amin'ny nosy atao hoe Patmo nohon'ny tenin'Andriamanitra sy ny fitsanganana vavolombelona ny momba an'i Jesosy. 10Za de notaritin'ny Fanahy tamin'ny andron'ny Tompo. Naregny feo mafy salan'ny trompetra takeo afarako za. 11Nagnano zany hoe: "Sorato akao amin'ny boky ze hitanao, ka alefaso aigny am'reo fiangonana fito - ho an'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia."12Nizaha ny magnodidina za nikaraka hoe feon'iza zany niteny tamina zany, ary raha nitodika za de nahita fagnanôvan-jiro volamena fito. 13Ary takeo am-povôn'ny fagnanôvan-jiro nisy raika salan'ny Zanak'Ôla, nitafy akanjo lava tonga hatraigny amin'ny tongony, ary fehin-kibo volamena magnodidina ny tratrany.14Ny lôhany sy ny volony de fotsy salan'ny volon'ondry— fotsy salan'ny ranomandry, ary ny masony salan'ny lelan'afo. 15Ny tongony mangirana salan'ny varagna, ôtran'ny varagna voadio takeo amin'ny lafaoro, ary ny feony ôtran'ny feon'ny rano be mikorigna. 16Ary nanagna kintana fito takeo an-tagnany an-kavanana ary sabatra rôy lela maragnitra nivôka avy takeo amin'ny vavany. Ny tareny de nazava salan'ny masoandro miredareda.17Rafa nahita an'Azy za, de lavo takeo amin'ny tongony salan'ôla maty. Nikitika anà tamin'ny tagnany ankavanana Izy ka nagnano hoe: "Aza matatra. Za no vôlôny zy farany, 18ary le raika ze velona. Efa maty Za, fa indro, velona mandrakizay! Azy Za managna ny fangalahidin'ny fafatesana sy ny Fiainan-tsy hita.19Noho zany soraty ze hitanao, ze am'zao fotôna zao, sy ze hitranga afaran'zao. 20Salan'ny zava-miafina momban'reo kintana fito ze hitanao taigny an-tagnako an-kavanana, sy reo fanaovan-jiro volamena fito: "Ny kintana fito de reo anjelin'ny fiangonana fito, ary ny fanaovan-jiro fito de reo fiangonana fito."
Chapter 2

1Sorato ho an'ny anjelin'ny fiangonana akao Efesosy hoe: "Reto ny teny avy am'le raika ze mitana reo kintana fito amin'ny tagnan-kavanany ary mande akeo am'reo fagnanôvan-jiro volamena fito, 2"Fantatro ze efa vitanao sy ny asa mafinao ary ny fiaretanao ela. Fantatro fa tsy afaka handefitra amin'ny ôlon-dratsy anao. Fantatro fa notsapainao reo ze milaza an'jareo ho apostoly, nefa tsy zany izy, ary hitanao zareo fa sandoka.3Fantatro fa managna faretana anao, ary mijaly mafy nohon'ny amin'ny agnarako, ary tsy magneky resy anao. 4Nefa manoitra an'nao za satria namela ny fitiavana vôlôny anao. 5Tsarovo noho zany ny toerana ze nalavo an'nareo mibebà ary magnanôva reo ra ze nataonao vôlôny. Fa raha tsy mibebaka anao, de ho avy aigny aminao za ary hagnala reo fagnanôvan-jironao amin'ny fitôrany.6Kanefa zao no ataonao: "Halanao ny ra vitan'ny Nikolaita, ze halako iany kô. 7Ôka ze manan-tsofigna hitaina ze lazain'ny Fanahy ho an'reo fiangonana. Ho an'le raika ze naresy de ameko alalana hinana ny avy amin'ny kakazon'ny fiaignana, ze akao amin'ny paradisan'Andriamanitra.""8Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana aigny Smyrna hoe: "Reto ny tenin'le raika ze vôlôny ary farany, le raika ze efa maty nefa velona ndre: 9"Fantatro reo fahorenao sy ny fahantranao, nefa manan-karena anao. Fantatro ny fitinenan-dratsy ho an'reo ze milaza ny tegnany fa Jiosy, kanefa tsy zany izy. Synagogan'i Satana zareo.10Aza matatra ny am'ze efa hiaretanao. Indro! Ny devoly de hanipy ny sasagny aminareo aigny amin'ny tragnomaizigna mbô ho tsapaina anareo, ary hijaly mandritry ny folo andro anareo. Matokia mandra-pafaty, ka hameko anareo ny satro-boninahitry ny fiaignana. 11Ze manan-tsofigna ôka izy hitaino ze lazain'ny Fanahy ho an'reo fiangonana. Le raika ze maharesy de tsy ho maratran'ny fafatesana faharoa.""12Sorato ho an'ny anjelin'ny fiangonana aigny Pergamosy hoe: "Reto ny tenin'le raika ze managna sabatra roa lela: 13"Fantatro ze ipetrahanao, de akao amin'ny hitoeran'ny seza fiandrianan'i Satana. Ary am'zao fotôna zao mitana mafy ny agnarako anao. Fantatro fa tsy nandà ny finoanao ny amiko anao, na de tam'reo andron'i Antipasy vavolombeloko aza, ze natoky Anà, ze novonona takeo aminareo, takao amin'ny fitôran'i Satana.14Fa manan-teny kely aminao Za: "Misy sasagny aminareo mitàna ny fampenaran'i Balama, ze mampianatra an'i Balaka hametraka fanafitoinana akeo agnolônan'ny Zanak'Israely, mbô hinanan-jareo ny sakafo natao sorona ho an'ny sampy ary ho fijangajangana. 15Ôtran'zany kô, misy sasagny aminareo ze mitana mafy ny fampenaran'reo Nikolaita.16Mibebà, noho zany! Fa raha tsy zany, de ho tonga malaky aigny aminareo Za, ary hifandogna amin'jareo za miaraka amin'ny sabatry ny vavako.17 Ôka ze manan-tsofigna hitaino ze lazain'ny Fanahy ho an'reo fiangonana. Ho an'reo ze maharesy, hameko ny sasagny am'reo mana misitrika, ary hameko vato fotsy miaraka amin'ny anaram-baovao vôsoratra akeo amin'ny vato, agnarana ze tsy fantatr'ôla afa-tsy ze mandray an'azy iany.""18Sorato ho an'ny anjelin'ny fiangonana akao Tyatira hoe: "Reto ny tenin'ny Zanak'Andriamanitra, ze managna maso ôtran'ny lelan'afo ary tongotra ôtran'ny varagna mangilatra: 19"Fantatro ze vitanao: Ny fitiavanao sy ny finoana sy ny fanomponao ary ny faharetanao. Fantatro fa ze vitanao farany de betsaka noho ze vitanao vôlôny.20Kanefa zao no hanoerako an'nao: liferinao le vevavy Zezebela, ze magnantso ny tegnany ho mpaminagny vavy. Amin'ny alalan'ny fampenarany de mamitaka reo mpanomppoko izy mbô hijangajanga sy hinana sakafo atao sorona ho an'ny sampy. 21Nagnome fotôna mbô hibebany Za, kanefa tsy mety hibebaka ny amin'ny fijangajangany izy.22Indro! Hataoko marary akeo am-pandrena izy, ary reo ze mijangajanga miaraka amin'azy de hampahoreko mafy, raha tsy mibebaka amin'ny asa ratsin'le vevavy zareo. 23Ho vonoko ho faty reo zanagny, ary reo fiangonana daôly de hafantatra fa Za le mahita ny fieritreretana sy fihetsem-po. Hameko araka ny asanareo tsiraikaraika avy anareo.24Fa ny amnareo ze sisa akao Tyatira, ze daôly tsy mitàna zao fampenarana zao, sy tsy mahalala ze antsovin'ny sasagny hoe saindalin'i Satana - Zao no lazaiko aminareo hoe: "Tsy vesariko entana hafa anareo." 25Na zany aza, tsy maintsy mitàna mafy ny finoanareo anareo mandra-peviko.26Le raika ze maresy sy ze magnano ze efa vitako hatramin'ny farany, de hameko an'azy ny fahefana amin'ny firenena daôly. 27Hanapaka akeo amin-jareo miaraka amin'ny tehim-by izy, salan'ny fanorotoro vilany tany no hagnapotena an-jareo. 28Salan'ny nandrasako avy tamin'ny Raiko, no hagnomezako an'azy kintana maraina iany kô.29 Ôka le raika ze manan-tsofigna hitaino ze lazain'ny Fanahy ho an'reo fiangonana.""
Chapter 3

1Sorato ho an'ny anjelin'ny fiangonana aigny Sardisy hoe: "Zao no tenin'le mitàna reo Fanahy fiton'Andriamanitra sy reo kintana fito. "Fantatro ze nataonao. Malaza ho velona anao, nefa anao maty. 2Mifoaza ary hatanjaho ze tavela, fa efa ho faty, satria tsy hitako tanteraka reo asanao akeo amason'Andriamanitro.3Tadidivo, noho zany, ze noraisinareo sy regninareo. Ekeso zany, ary mibeba. Fa raha tsy mifoha anareo, de ho avy ôtran'ny mpangalatra Za, ary tsy ho fantatrareo ny ora hiaveko aminareo. 4Fa misy agnaran'ôla vitsivitsy aigny Sardisy ze tsy nandoto ny akanjon-jareo. Hande hiaraka aminà zareo, mekanjo fotsy, satria mendrika.5Le raika ze mandresy ee ho ampekanjona fotsy, ary tsy hamafa ny agnarany akao amin'ny Bokin'ny Fiainana mitsy Za, ary hilaza ny agnarany akeo agnatrehan'ny Raiko, sy akeo agnatrehan'reo anjeliny. 6Ôka ze manan-tsofigna hiaino ze lazain'ny Fanahy am'reo fiangonana.""7Sorato ho an'ny anjelin'ny fiangonana aigny Filadelfia hoe: "Zao no tenin'le raika ze masina sy marina - izy no mitana ny fagnalahidin'i Davida, izy no mamôha ary tsisy na iza na iza magnidy, izy no magnidy ary tsisy na iza na iza afaka mamôha. 8"Fantatro ze vitanareo. Indro, nametrahako varavaragna misokatra akeo agnolônareo ze tsy afaka hidin'iza na iza. Fantatro fa managna hery kely anareo, ka nankato ny teniko ary tsy nandà ny agnarako.9Indro, Reo ze an'ny synagogan'ny Satana, reo ze milaza fa Jiosy zareo nefa tsy izy; fa mandainga kosa zareo. Hataoko tonga ka hiankotra akeo an-tongotrao zareo, ary ho avy zareo mbô hafantatra fa nitia an'nareo Zà.10 Satria efa nitandrina ny didiko tamin'ny faretana anareo, de hiaro an'nareo amin'ny andro fitsapana ze efa ho avy am'zao tontolo zao daôly iany kô Za, mbô hitsapa reo ze miaigna aketo ambonin'ny tany. 11Ho avy tsy ho ela Za. Tano mafy ze hanagnanao mbô tsy hisy afaka hangala ny satro-boninahitrao.12Ataoko andry akeo amin'ny tempolin'Andriamanitro ze mandresy, ary tsy hiala akeo mihitsy izy. Ho soratako akeo aminy ny agnaran'Andriamanitro, le agnaran'ny tanànan'ny Andriamanitro (le Jerosalema vaovao, ze midina avy aigny an-dagnitra avy amin'ny Andriamanitro), sy ny agnarako vaovao. 13Ôka ze manan-tsofigna hihaino ze lazain'ny Fanahy am'reo fiangonana.""14"Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana aigny Laodikia hoe: "Zao no tenin'ny Amena, le vavôlombelona matoky sy marina, le mpanapaka ny zava-boarin'Andriamanitra. 15"Fantatro ze nataonareo, ary tsy mangatseka na mafana anareo. Magniry Za mbô ho mangatseka na mafana anareo! 16Noho zany, satria anareo matimaty - sady tsy mafana nontsy mangatseka - de efa halôn'ny vavako anareo.17Fa ozy anareo hoe: "Manan-karena za, managna fitaovana betsaka, ka tsy mila na ino na ino." Saingy tsy fantatrareo fa anareo no tegna ory, mafiraigna, mahantra, jamba ary mibilaka. 18Tainô ny torohevitro: Mividiana volamena vôdio tamin'ny afo amina mbô ho tonga mpanan-karena anareo, ary akanjo fotsy manjopika mbô ho afaka mampitafy ny tenanareo anareo ka tsy hampibôgna ny hegnatry ny fibilanareo, ary hagnosotra ny masonareo mbô hahiratanareo.19Ampiofaniko ny tsiraikaraika avy ze teko, ary hampenariko an'jareo ny fomba tokony hiainan'jareo. Noho zany, mazotoa ary mibebaha. 20Indro, mitsangana aketo amin'ny varavaragna Za ary mandondògna. Raha misy maregny ny feoko ka mamôha ny varavaragna, de ho avy akao an-dragnony Za ka hinana miaraka amin'azy, ary izy miaraka aminà.21Le raika ze mandresy, hatolotro an'azy ny zo hipetraka miaraka aminà akeo amin'ny seza fiandrianako, salan'ny nandreseko kô ka nipetrako niaraka tamin'ny Raiko takeo amin'ny seza fiandrianany. 22Ôka ze manan-tsofina hitaino ze lazain'ny Fanahy am'reo fiangonana.""
Chapter 4

1Tafaran'zany ra zany de nitazagna za, ary nahita varavaragna raika nisokatra takegny amin'ny lanitra. Ny feo vôlôny ze regniko de niresaka taminà salan'ny trompetra, nagnano hoe: "Mekàra aty, ary habônako an'nao ze tsy maintsy hitranga afaran'reo ra reo." 2Nisy fotôna za vôtariky ny Fanahy, ary natazagna fa nisy seza fiandrianana nipetraka teigny amin'ny lanitra, nisy ôla nipetraka takeo ambonin'zany. 3Le raika ze nipetraka takeo amboniny de miendrika salan'ny jaspa sy karneola. Nisy fangalabaragna nanodidina ny seza fiandrianana. Le fangalabaragna de miendrika ôtran'ny emeraoda.4Nisy seza fiandrianana efatra amby rôpolo nagnodidigna le seza fiandrianana, ary lôholona efatra amby rôpolo no nipetraka takeo ambonin'reo seza fiandrianana, niankanjo fotsy, niaraka tamin'ny satro-boninahitra voalmena teigny amin'ny lôhan-jareo. 5Avy tam'le seza fiandrianana no nisy tsela-pahazavana, kotroka, ary kotro-baratra. Nisy jiro fito niretra takeo agnolôn'ny seza fiandrianana, jiro ze fanahy fiton'Andriamanitra.6Takeo alôhan'ny seza fiandrianana de nisy ranomasina fitaratra, salan'ny kristaly. Reo ra managn'aigna efatra de takeo ambpovôn'ny seza fiandrianana sy nagnodidina an'zany, feno maso, takeo agnolôny sy takao an-dakambosiny.7Le ra managn'aigna vôlôny de salan'ny liona, le ra managn'aigna faharôa salan'ny zanak'omby, le ra managn'aigna fatelo de miendrika ôla, ary le ra managn'aigna faefatra salan'ny voro-mahery magnembana. 8Reo ra managn'aigna efatra de samy managna embagna enina avy, feno maso ny ambony sy ambany. Andro sy alina zareo de tsy mitsahatra miteny hoe: "Masina, masina, masina le Tompo Andriamanitra Tsitoha ze nisy, sy misy, ary mbôla ho avy."9Na vena na vena reo ra managn'aigna de hanome voninahitra, laza, ary fisaorana an'le raika ze mipetraka akeo amin'ny seza fiandrianana, le raika ze velona mandrakizay doria, 10reo lôholona efatra amby rôpolo de nampiankotra ny tegnan'jareo akeo agnolôn'le raika ze mipetraa akeo amin'ny seza fiandrianana. Miankotra akeo am'le raika ze velona mandrakizay doria zareo, ary nanipy ny satro-boninatra an-jareo takeo agnolôn'ny seza fiandrianana, miteny hoe: 11"Mendrika Anao, ry Tomponay sy Andriamanitray, handray ny voninatra sy ny laza ary ny hery. Fa Anao no namorona ny ra daôly, avy tamin'ny alalan'ny sitraponao, de nisy zareo ary nohariana."

Chapter 5

1Ary nahita ny tagnan-kavanan'le raika ze nipetraka takeo amin'ny seza fiandrianana za, horonan-taratasy vôsoratra akeo agnolôna sy akao afara. Ary nofatorana tamin'ny tombokase fito zany. 2Natazagna anjely mahery nagnambara tamin'ny feo mafy za, nitare hoe: "Iza no mendrika ny hagnokatra ny horognan-taratasy ary hamô ny tombokasen'zany?"3Tsisy ôla avy aigny an-danitra na aketo an-tany ka afaka hagnokatra ny horognan-taratasy na hamaky an'zany. 4Nitomagny mafy za satria tsisy ôla hita mendrika ny hagnokatra ny horonan-taratasy na hamaky an'zany. 5Kanefa ny raika tam'reo lôholona nilaza taminà hoe: "Aza mitomany. Indro! Le liona fokon'i Joda, le solofon'i Davida, de nandresy. Afaka ny hagnokatra ny horognan-taratasy sy reo tombokase fito izy.6Natazagna Zanak'ondry mitsangana akeo anelanelan'ny seza fiandrianana sy reo ra managn'aigna efatra ary akeo agnivon'reo lôholona za. Ôtran'ny hoe ôla novonona izy. Nanagna tandroka fito sy maso fito izy; zareo no fanahy fiton'Andriamanitra nalefa nagnerana ny tany. 7Nande izy ary niaka le horognan-taratasy taigny amin'ny tagnan-kavanan'le raika ze nipetraka takeo amin'ny seza fiandrianana.8Rafa noraisin'le Zanak'ondry le horognan-taratasy, reo ra managn'aigna efatra sy reo lôholona efatra amby rôpolo de nampiankotra ny tegnan-jareo takeo agnolôny. Samy nanagna lokanga sy vilé volamena feno emboka magnitra avy ny tsiraikaraika tamin'jareo, ze vavak'reo mpino.9Nihira hira vaovao zareo: "Mendrika ny handray an'le horognan-taratasy anao ary hagnokatra ny tombokasen'zany. Fa anao de novonona, ary tamin'ny rànao no nividianana an'reo ôlon'andriamanitra avy tamin'ny foko, fiteny, ôla, ary firenena daôly. 10Nataonao fanjakana sy mpisorogna zareo mbô hanompo an'Andriamanitra, ary hanjaka aketo an-tany."11Avy takeo za de nahita sy naregny feon'anjely maro nanodidina ny seza fiandrianana sy reo ra managn'aigna ary reo lôholona. Ny fitambaran'jareo de amagn'alinalina. 12Niteny tamin'ny feo mafy zareo hoe: "Mendrika anie le Zanak'ondry ze novonona mbô handray faefana, harena, fahendrena, hery, laza, voninatra, ary dera."13Naregny reo ra vôforona daôly ze taigny an-danitra sy taketo an-tany ary an-dranomasina za - ny ra daôly takao agnatin'reo - niteny hoe: "Ho an'le raika ze mipetraka akeo amin'ny seza fiandrianana sy ho an'le Zanak'ondry anie ny dera, ny laza, ny voninatra, ary ny faefana handidy, mandrakizay doria." 14Reo ra managn'aigna efatra, niteny hoe: "Amena!" Ary reo lôholona niankotra sy nivavaka. [Fagnamarihana: Ny sasagny am'reo dikan-teny talô de mivaky hoe: "Reo lôholona rô amby efapolo de niankotra sy nanompo an'le raika ze velona mandrakizay doria."]

Chapter 6

1Rafa nanôkatra ny raika tam'reo tombo-kase fito ny Zanak'ondry de nitazagna za, ary naregny ny raika tam'reo ra managn'aigna efatra tamin'ny feo salan'ny kotroka za niteny hoe: "Avé! 2Nitazagna za ary nisy sôvaly fotsy takeo. Ny mpitikina an'zany de mitana tsipìka, ary namena satro-boninatra izy. Nivôka ôtran'ny mpandresy izy mbô handresy.3Rafa nanôkatra ny tombo-kase faharoa ny Zanak'ondry, de naregny ny ra managn'aigna faharoa niteny hoe: "Avé!" 4De nisy sôvaly hafa nivôka - miretra mena. Ny mpitikina an'azy no namena alalana hangala ny fiadanana amin'ny tany, mbô hifamono ny ôlony. Io mpitikina io de namena sabatra geda.5Rafa nanôkatra ny tombo-kase fatelo ny Zanak'ondry, de naregny ny ra managn'aigna fatelo za niteny hoe: "Ave!" Natazagna sôvaly mainty za, ary ny mpitikina an'azy de nitana taigny an-tagnany. 6Naregny salan'ny feo tamin'ny ra managn'aigna efatra za niteny hoe: "Ny vary eran'ny fatam-bary ho an'ny denaria raika, ary ny hordea in-telon'ny fatam-bary ho an'ny denaria raika. Fa aza mandratra ny menaka sy ny divay."7Rafa nagnokatra ny tombo-kase faefatra ny zanak'ondry, de naregny ny feon'ny ra managn'aigna faefatra za niteny hoe: "Avé!" 8De natazagna sôvaly hatsatra za. Ny mpitikina an'azy de antsôvina hoe Fafatesana, ary reo fasagna de nagnaraka an'azy. Nameny fahefana amin'ny ampahefatry ny tany zareo, mbô hamono amin'ny sabatra, silaona sy aretina, ary am'reo bibidian'ny tany.9Rafa nagnokatra ny tombo-kase fadimy ny Zanak'ondry, de tazako takao ambany alitara reo fanahin'reo ze novonona noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fitsanganana vavolombelona ze notànan-jareo. 10Nihaika tamin'ny feo mafy zareo hoe: "Mandra-pa ovena, ry Mpanjaka ambonin'ny daôly, masina sy marina, no hitsaranao reo ze miaigna aketo an-tany, sy hamalenao faty ny rànay? 11De namena akanjolava ny tsiraikaraika avy tamin-jareo, ary nilazana zareo fa tokony handigny kelikely mandra-pazaôna ny isa fenon'reo mpiara-manompon-jareo sy reo rahala sy anabavin-jareo ze tokony hovonôna zareo, ôtran'ny namonôna an-jareo.12Rafa nagnokatra ny tombo-kase faenina ny Zanak'ondry, de nitazagna za ary nisy horohoron-tany gedabe. Lasana mainty ôtran'ny lamba fisaonana ny masoandro, ary ny volana fenomanagna de lasana ôtran'ny rà. 13Reo kintana taigny amin'ny lanitra de potraka tety an-tany, ôtran'ny aviavy magnintsagna ny vôny manta rafa tsofin'ny rivotra mafy. 14Ny lanitra de nanjavona ôtran'ny horognan-taratasy ze naorongorona. Ny tanety sy ny nosy daôly de nalana takeo amin'ny tôrany.15Avy akeo reo mpanjakan'ny tany sy ny ôla managn-danja, sy reo jeneraly, ny mpanagn-karena, ny mahery, ary ny hafa daôly, andevo sy afaka, nisitrika takao agnatin'reo lava-bato sy tam'reo vatolampin'ny tendrombotra. 16Niteny tam'reo tendrombotra sy tam'reo vatolampy zareo hoe: "Mirodagna aminay! Asitrifo amin'ny tavan'le raika ze mipetraka takeo amin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fasosen'ny Zanak'ondry zahay. 17Fa tonga ny andro lehiben'ny fatezeran-jareo. Iza no hahavita hiharitra?"

Chapter 7

1Tarignan-zany de naita anjely efatra nitsangana takeo amin'ny zoro tany efatra za, nanotra mafy ny rivotra efatry ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin'ny tany, amin'ny ranomasina, na hifanotra amin'ny kakazo daôly. 2Naita anjely hafa za niakatra avy taigny antsinanana, ze nagnana ny tombokasen'Andriamanitra velogna. Nikikika tamin'ny feo mafy tam-reo anjely efatra ze nahazo alalana hanimba ny tany sy ny ranomasina izy hoe: 3"Aza sombagna ny tany, ny ranomasina, na reo kakazo mandra-panisintsika ny tombo-kase akeo amin'ny handrin-reo mpanompon'Andriamanitra."4Naeno ny isan-reo ze vôtombo-kase za: 144, 000, no vôtombo-kase avy tamin'ny fokon'ny ôlon'Israely daôly: 5Rôrivo sy rai-aligna no vôtombo-kase avy tamin'ny fokon'i Joda, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Robena, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Gada, 6rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Asera, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Naftaly, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Manase.7rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Simeona, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Levy, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Isakara, 8rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Zebolona, rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Josefa, ary rôrivo sy rai-aligna avy tamin'ny fokon'i Benjamaina no vôtombo-kase.9Tarignan-reo ra reo de nijery za, ary nisy ôla betsaka be ze tsy vôisa— avy tamin'ny firenena, foko, ôla, ary fiteny daôly—nitsangana takeo agnatrean'ny seza fendriagnana sy takeo agnatrean'ny Zanak'ondry. Nagnao akajo lava fotsy sy mitagna sampandrofia tegny amin'ny tanan-jareo, 10ary nagnantso mafy tamin'ny feo mahery zareo nagnano hae: "Ny famonjena de an'Andriamanitra ze mitotra akeo ambonin'ny seza fendriagnana, sy an'ny Zanak'ondry!"11Ny anjely daôly nitsangana manodidina ny seza fendriagnana sy manodidina reo loholona sy ny ra-magnan-aigna efatra, ary zareo de nampekoka ny tavan-jareo takeo agnatrean'ny seza fendriagnana. Nivavaka tamin'Andriamanitra zareo 12nagnano hoe: "Amena! Dera, voninahitra, fahendrena, fisôragna, fahefagna, ary ny hery anie ho an'Andriamanitra mandrakaizay dory! Amena!"13Avy akeo ny raika tam-reo loholona nagnontany anà hoe: "Iza reo, mitafy akanjolava fotsy, ary avy aiza zareo?" 14Ôzy za tam'azy: "Tompoko, Enao mafantatra," ary ozy izy taminà: "Reo no hivôka avy amin'ny Faorina Leibe. Nosasan-jareo ny akanjolavany ary nofotsena tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry.15No zany antony zany, de akeo agnatren'ny seza fendriagnan'Andriamanitra zareo, sy mivavaka aminy andro aman'aligna akao amin'ny tempoliny. Ny raika ze nipetraka takeo amin'ny seza fendriagnana de hamelatra ny lainy am-jareo. 16Tsy ho nôna intsony zareo, na hangetaeta indray. Tsy hamely an'azy ny masoandro, na ny hafagnana mandoro. 17Fa ny Zanak'ondry akeo apovôn'ny seza fendriagnana no ho mpiandry an'jareo sy hitari-dalagna an'jareo akeigny amin'ny lôranon'ny rano velogna, ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso daôly amin'ny mason-jareo."
Chapter 8

1Rafa novahan-le Zanak'ondry ny tombo-kase fafito, de nisy fangignana takagny an-dagnitra takeo amin'ny antsasa-kora takeo. 2Avy akeo de hitako reo anjely fito ze nitsangana takeo agnatrean'Andriamanitra, ary nomegna trompetra fito zareo.3Nisy anjely hafa tonga, nitazogna vilia volamegna fandorôgna ditin-kazo manitra, nitsangana takeo ambonin'ny alitara. Ditin-kazo manitra betsaka no nomegna an'azy mba hagnolorany zany mbamin'ny vavaky ny mpino daôly akeo ambonin'ny alitara volamegna fandorôgna ditin-kazo manitra akeo agnatrean'ny sezam-boninahitra. 4Ny setrok-le ditin-kazo manitra, miaraka amin'ny vavak-reo mpino, de niakatra takeo agnatrean'Andriamanitra avy amin'ny tagnan'ny anjely. 5Naka an'le vilia fandorôgna ditin-kazo manitra le anjely ary alitara. Avy akeo natsipiny tamin'ny tany zany, ary nisy kotro-baratra, kotroka, tselatra, ary horohoron-tany.6Reo anjely fito ze nagnana reo trompetra fito de niomagna hitsoka izany. 7Nitsoka ny trompetrany le anjely vôlôny, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. Natsipy taty an-tany zany mba ho may ny ampateon-zany, may ny ampatelon'ny kakazo, ary may avokô reo atra maitso. (Fagnamarihana: Ny sasagny am-reo dikan-teny talô de manala ny hoe: "mba ho may ny ampatelon-zany.")8Nitsoka ny trompetrany le anjely faroa, ary nisy rà ôtrany tanety ngeza niretr'afo natsipy teigny an'dranomasina. Lasa rà ny ampatelon'ny ranomasina, 9maty ny ampatelon'ny ra-manan'aigna akao an-dranomasina, ary rava ny ampatelon-reo sambo.10Nitsoka ny trompetrany le anjely fatelo, ary nisy kintana ngeza nilatsaka avy eny an-dagnitra, miretra ôtrany fanilo, tamin'ny ampatelon-reo ony sy lôrano. 11Ra-mangidy no agnaran-le kintana. Lasa nangidy ny ampatelon-le rano, ary ôla betsaka no maty tam-le rano ze lasa nagidy.12Nitsoka ny trompetran-le anjely faefatra, ary niova ny ampatelon'ny masoandro, ôtrany ampatelon'ny volana sy ny ampatelon-reo kintana. No zany de lasa mainty ny ampatelon-reo; tsy nisy hazavagna ny ampatelon'ny andro sy ny ampatelon'ny aligna.13Nijery za, ary naeno voro-mahery ze nagnidina takeigny apovôn'ny lagnitra, nagnantso tamin'ny feo mafy hoe: "Loza, loza, loza, ho an'reo ze monigna eny amin'ny tany, nony feona trompetra sisa ze mbola ho tsofin-reo anjely telo."
Chapter 9

1Nampagneno ny trompetrany ny anjely fadimy. Naita kintana avy akeigny an-dagnitra za ze potraka taty amin'ny tany. Le kintana no namegna ny fagnalaidin-le lavaka tsy hita noanoa. 2Nosokafany le lavaka tsy hita noanoa, ary niakatra ny setroka nivôka avy takao am-le lavaka ôtrany setroka avy amin'ny laforo ngeza. Nivadika maloka ny masoandro sy ny rivotra nony setroka nivôka takao an-davaka.3Avy amin'ny setroka no natongavan-reo valala teto ambonin'ny tany, ary namegna hery ôtrany an'ny maingoka teto ambonin'ny tany zareo. 4Notenenina zareo tsy hanimba ny atra teto ambonin'ny tany na reo ra-maniry maitso na kakazo, fa reo ôla ze tsy magnana tombo-kasen'Andriamanitra akeo amin'ny handrin-zareo iany.5Tsy nahazo alalagna ny hamono reo ôla reo zareo, fa hampijaly an'jareo mandritra ny dimy vôlana iany. Ny fanaintainan-jareo de ôtrany tsindron'ny maingoka rafa manaitr'ôla. 6Am-reo andro reo de hitsikaraka fafatesagna ny ôla, fa tsy haita. Hagniry ny ho faty mafy zareo, nefa hilefa an'jareo ny fafatesagna.7Ôtrany sovaly nomanina tamin'ny ady reo valala. Tamin'ny lôn-jareo de nisy ra ôtrany satro-boninaitra volamena, ary ny tavan-jareo de ôtrany ny tavan'olombelona. 8Nagnana volo ôtrany volom-bevavy zareo, ary ny nifin-jareo de ôtrany nifin'ny reo liona. 9Nagnana ferovan-tratra ôtrany ferovan-tratra vy zareo, ary ny feon'ny elan-jareo de ôtrany feon'ny kalesy sy sovaly betsaka mezakazaka ho akeigny amin'ny ady.10Nagnana rambo nisy fantsindromagna ôtrany maigoka zareo; akao amin'ny rambon-jareo no misy ny hery hanimba ny ôla mandritra ny dimy vôlana. 11Nagnana mpanjaka zareo de le anjelin-le lavaka tsy hita noanoa. Ny agnarany tamin'ny teny Hebreo de Abadona, ary ny agnarany tamin'ny teny Grika de i Apolyona. 12Lasa ny loza vôlôgny. Indro! afaran-zao de mbola hisy loza roey ho avy.13Nampaneno ny trompetrany le anjely faenina, ary naeno ny feo nivôka tamin'ny tandroky ny alitara volamegna ze efa nisy takeo agnatren'Andriamanitra za. 14Ary nitare tam-le anjely faenina le feo magnano hoe: "Avilao reo anjely efatra ze mifatotra aigny am-le renirano leiben'ny Eofrata." 15Reo anjely efatra ze efa nomanigna tam-zany ora zany, zany andro zany, zany volana zany, ary zany taogna zany, de navela mba hamono ny ampatelon'ny olombelogna.16Ny isan-reo miaramila nitengin-tsovaly de 200, 000, 000. Naeno reo isa reo za. 17Ôtrany zany no fomba nahitako reo sovaly takao amin'ny fahitako sy reo ze nitengina takeo am-jareo: Reo ferova-tratran-jareo de miretra mena, manga antitra ary solifara mavo. Nitovy tamin'ny lôn-reo liona ny lôn-reo sovaly, ary nivôka takao am-bavan-jareo de afo, setroka, ary solifara.18Ary ny ampatelon-reo ôla de matin-reo loza telo: ny afo, ny setroka, ary ny solifara ze nivôka takao am-bavan-jareo. 19Fa ny herin-reo sovaly de avy takao amin'ny vavan-jareo sy tamin'ny rambon-jareo, fa ny rambon-jareo de ôtrany bibilava, ary nagnana lô ze afaka mandratra ôla zareo.20Ny ambin-reo olombelona, reo ze tsy matin-reo loza reo, de tsy nibebaka tam-asa ze vitan-jareo, ka nijanogna nagnompo reo demony sy sampy volamegna, volafotsy, varana, vato, ary tapa-kazo sy reo ra ze tsy hita maso, reigny, na mande. 21Zareo de mbola tsy nibebaka tamin'ny asa famonogna, sy ny famosaven-jareo, ny fijangajangana na reo asa fangalaran-jareo.
Chapter 10

1Avy takeo za de natazagna anjely mahery hafa kô nidina avy an-dagnitra. Takao agnaty rondro izy, ary nisy fangala baragna takeo ambonin'ny lôhany. Ny tareny de ôtran'ny masandro ary ny tongony de salan'ny andry afo. 2Mitàna horognan-taratasy kely mivelatra amin'ny tagnany izy, ary mametraka ny tongony ankavanana amin'ny ranomasina ary ny tongony ankavia amin'ny tany.3Avy akeo izy de nihaika tamin'ny feo mafy salan'ny fitreron'ny liona. Rafa nihaika izy, de nikotroka mafy tamin'ny feony ny kotroka fito. 4Rafa nikotroka ny kotroka fito, de takeo andalam-pagnoratana za, fa naregny feo avy taigny an-dagnitra za nitare hoe: "Tano ny tsiambaratelo ze nolazain'ny kotroka fito. Aza soratana zany."5Avy akeo le anjely hitako nitsangana takeo ambony ranomasina sy takeo amin'ny tany, nanandratra ny tagnany ankavanana taigny an-dagnitra. 6Izy nifagneky tam'le raika ze velona mandrakizay doria, ze namorona ny lagnitra sy ze daôly agnatin'zany, ny tany sy ze ra daôly akao agnatin'zany, ary ny ranomasina sy ze ra daôly agnatin'zany, ary le anjely nitare hoe: "Tsisy fandiniasana tsony. 7Fa amin'ny andro raika rafa maneno ny tropetran'ny anjely fafito de ho tanteraka ny misterin'Andriamanitra, salan'ny nagnambarany tam'reo mpaminagny mpanompony."8Le feo ze regniko avy aigny an-dagnitra niteny taminà ndre hoe: "Mandiana, alao le horonan-taratasy mivelatra ze aigny an-tagnan'le anjely mitsangana akeo ambony ranomasina sy ambonin'ny tany." 9Avy akeo de lasana nankaigny am'le anjely za ary nitare tamin'azy mbô hagnome anà le horonan-taratasy kely. Ozy taminà: "Raiso ny horonan-taratasy ary hoano zany. Hampangidy ny akao an-kibonao zany, fa akao am-bavanao de ho mamy salan'ny tintely zany."10Nalaiko tamin'ny tagnan'le anjely le horonan-taratasy kely ary nohaniko zany. Mamy salan'ny tintely takao am-bavako zany, fa tafaran'ny ninanako an'azy, de lasana nangidy ny takao an-kiboko. 11Avy akeo nisy ôla raika nitare taminà hoe: "Tsy maintsy maminagny ndre anao momban'reo ôla maro, reo firenena, reo fiteny, ary reo mpanjaka."

Chapter 11

1Namena volotara mba ampesaina ôtran'ny tehina za. Nolazaina taminà hoe: "Mitsangàna ary refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary reo ze mivavaka akao. 2Fa aza refesina ny kianja akeo avelan'ny tempoly, fa namena an'reo Jentilisa izany. Hagnitsaka ny tanàna masina mandritry ny rombefolo volana izy reo.3Hameko reo vavolombeloko roey ny faefagna haminagny mandritry ny 1, 260 andro, nitafy lamba fisaonagna." 4Reo vavolombelona reo de hazon'oliva roey sy ny fitoeran-jiro roey ze nitsangana takeo agnatrehan'ny Tompon'ny tany. 5Raha misy ôla misafidy handratra an'azy reo, de mivôka afo vavan-jareo ka hihignana ireo fahavalon-jareo. Na iza na iza magniry ny handratra an'azy reo de tsy maintsy hovonaina am-zany fomba izany.6Reo vavolombelona reo de magnana fahefana hagnidy ny lagnitra mba tsy hilatsahan'ny orana mandritry ny andro haminagnian-jareo. Manam-paefana izy reo hagnova ny rano ho rà sy hamely ny tany amin'ny karazana loza daôly na ovena na ovena irin-jareo. 7Rafa ho vita ny fijoroan-jareo vavolombelona, de miakatra avy aigny agnaty lavaka tsy hita laligna le bibidia hiady hanotra an'azy reo. Handresy an'azy reo Izy ary hamono an'azy reo.8Hivalampatra akeigny amin'ny lalan'ny tanàna geda ny fatin-jareo (ze antsovina iany koa hoe Sodoma sy Egypta) ze namantsena ny Tompon-jareo. 9Hijery ny fatin-jareo mandritra ny telo andro sy tapagny ny ôla, ny foko, fiteny, ary ny firenena daôly. Tsy ho avelan-jareo apetraka akao am-pasagna ireo.10Reo ze miaigna akeo ambonin'ny tany de hifaly am-jareo ary hankalaza. Hifandefa fagnomezana mihintsy aza jareo satria nampijaly reo ze miaigna ambonin'ny tany reo mpaminagny roey ireo. 11Fa afaka telo andro sy tapany de hiditra akao am-jareo ny fofon'aigna avy amin'Andriamanitra, ary hijoro amin'ny tongony jareo. Hilatsaka am-reo ze mahita an'azy reo ny taotra leibe. 12Avy akeo de handreigny feo mahery avy aigny an-dagnitra izy reo mitare an'azy reo hoe: "Miakara aketo! Avy akeo de hiakatra ho aigny an-dagnitra akao agnaty rondro zareo, raha mbola mijery tany reo fahavalon-jareo.13Am-zany ora zany de hisy horohoron-tany mafy, ary hirodana ny ampahafolon'ny tanàna. Fito arivo ny ôla ho faty am-le horohoron-tany, ary ho raiki-taotra reo ôla sisa tsy maty ary hagnome voninahitra an'Andriamanitra ny lagnitra. 14Lasa ny loza faroa. Indro! tonga malaky ny loza fatelo.15Avy akeo de nampaneno ny trompetrany ny anjely fafito, ary nisy feo mafy nitare tany an-dagnitra nagnano hoe: "Ho lasa fanjakan'ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan-zao tontolo zao. Izy no hanjaka mandrakizay doria."16Avy akeo reo loholona efatra amby rôpolo ze nipetraka takeo amin'ny seza fendrianan-jareo takeo agnatrehan'Andriamanitra de nampekoka ny tenan-jareo. Nankazala an'Andriamanitra zareo. 17Ozy izy reo: "Magnome fisôrana An'nao zahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, le am-zao fotôgna zao sy talô, satria naka ny herinao leibe enao ary nanomboka nanjaka. (Fagnamarihana: Ny sasagny am-reo dikan-teny talô de mivaky hoe: Ny mpanapaka ny daôly, le am-zao fotôgna zao sy talô, ary le ho avy, fa ny dikan-teny am-zao fotôgna tsy ôtran-zany.)18Sosy mafy reo firenena, kanefa tonga ny fatezeranao. Tonga ny fotôgna hitsarana ny maty sy hamalianao soa reo mpaminagny mpanomponao, reo ze mpino, sy reo ze natatra ny agnaranao, na ny tsy manan-danja na ny mahery. Tonga ny fotôgna handripagna ireo ze manimba ny tany.19Avekeo de nisokatra ny tempolin'Andriamanitra takaigny an-dagnitra ary hita ny fiaran'ny fanekeny akao agnatin'ny tempoliny. Nisy tsela-pazavana, kotroka sy kotrokorana, horohorontany ary havandra geda be takao.
Chapter 12

1Famantaragna gedabe no tazagna taigny an'dagnitra: vevavy nitafy ny masoandro, ary ny volana takeo ambanin'ny tongony, ary satro-boninahitra vita tamin'ny kintana rombefolo no takeo amin'ny lôny. 2Bevoka izy, ary nihaika mafy f'efa ho teraka, akao agnatin'ny fihetsen-jaza.3Avy akeo nisy famantaragna hafa nibôgna taigny an-dagnitra: Indro! Nisy dragona mena gedabe ze nanagna lô fito sy tandroka folo, ary nisy satro-boninahitra fito takeo am'reo lôny. 4Ny rambony de nifôka ny ampatelon'ny kintana taigny an-dagnitra sady nanipy an-jareo taigny amin'ny tany. Le dragona nitsangana takeo agnolôn'le vevavy ze efa ho teraka, fa rafa teraka izy, de ande handrapaka ny zanany izy.5Niteraka zazala izy, ze hanapaka ny firenena daôly miaraka amin'ny tehina vy. Ny zanany de nalaina an-keriny ho aigny amin'Andriamanitra sy ho akeo amin'ny seza fendrianany, 6ary le vevavy nandositra nankaigny agn'efitra, ze nisy tôrana efa nomanin'Andriamanitra ho an'azy, ka de ho vôkarakara mandritran'ny 1260 andro izy.7Ary nisy ady taigny an-dagnitra. Mikaela sy reo anjeliny de niady tam'le dragona; ary le dragona sy ny anjeliny de namaly ny ady. 8Fa tsy de natanjaka le dragona ka tsy naresy. Ka tsisy tôrana ho an'azy sy reo anjeliny tsony taigny an-dagnitra. 9Le dragona gedabe— ze menaragna talô nantsovina hoe devoly na Satana, le namitaka an'zao tontolo zao—de natsipy taigny ambonin'ny tany, ary reo anjeliny de natsipy niaraka tamin'azy.10Avy akeo naregny feo mafy avy aigny an-dagnitra za: "Am'zao fotôna zao de tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan'Andriamanitsika ary ny fahefan'i Kristiny. Fa ny mpiampanga ny rahalatsika de natsipy taigny ambany, le raika ze mempanga an-jareo magnalin'andro akeo agnatrehan'Andriamanitsikana.11Zareo de naresy an'azy tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry sy tamin'ny teny fitsanganan-jareo vavolombelona, fa tsy nankamamy ny fiainany tsony zareo na de ho faty aza. 12Noho zany, mifale, anareo ry lagnitra, sy ze daôly mipetraka akao amin'azy. Fa mitandrema ny amin'ny tany sy ny ranomasina satria ny devoly de nidigna taigny aminareo. Feno fasosena izy, satria fantany fa fotôna fohy sisa no hanagnany.13Rafa nafantatra le dragona fa nazera tamin'ny tany izy, de nanenjika an'le vevavy niteraka zazala izy. 14Fa le vevavy de namena elatra rôy an'ny voromahery gedabe, ka de afaka nagnembana nankaigny am'le tôrana nokarakaraina ho an'azy taigny an'efitra. Io le tôrana hitsinjovana an'azy, mandritran'ny telo tôna sy tapany - mbô tsy ho hitan'le menaragna.15Namôka rano salan'ny renirano tamin'ny vavany le menaragna, ze handrôka an-dravevavy. 16Fa ny tany nanampy an-dravevavy. Nosokafan'ny tany ny vavany ary de nateliny ny rika ze navôkan'ny vavan'le dragona. 17Ary sosy tamin'dravevavy le dragona ka nande ary namoron'ady tamin'ny ambin'reo taranany, ze nankato ny didin'Andriamanitra ary mitàna ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy. 18Avy akeo nitsangana takeo ambonin'ny fasiky ny ranomasina le dragona.

Chapter 13

1Ary natazagna bibi-dia za niakatra avy tamin'ny ranomasina. Nagnana tandroka folo zany ary lô fito. Takeo amin'ny tandrogny de nisy diadema folo, avy takeo am-lôny de nisy agnarana fitenenan-dratsy avy. 2Le bibi-dia ze tazako de salan'ny leoparda. Ny tongony de salan'ny tongotra bera, ary ny vavany de salan'ny vavan'ny liona. Le dragona nagnome an'azy ny heriny, ny seza fendrianany, ary ny fahefany leibe hanapaka.3Ny lôn-le bibi-dia raika de ôtran'ny efa maty, kanefa sitrana le ratra saika nafaty an'azy. Ary gaga ny tany daôly ka nanaraka an-le bibi-dia. 4Ary de nenkoka kô teo am-le dragona zareo, satria izy no nagnome ny fahefany ho an'ny bibi-dia. Nenkoka takeo am-le bibi-dia kô zareo, ary nitare hoe: "Iza no ôtran'ny bibi-dia?" ary "Iza no afaka miady am-azy?"5Namena vava ze afaka mitare fieboebona sy fitenenan-dratsy le bibi-dia. Namena alalana izy mba hampiatra faefana mandritran'ny efatra ambefa-polo volana. 6Ary nanokatra ny vavany hitare ratsy an'Andriamanitra le bibi-dia: nitare ratsy ny agnarany, ny toerana ze hipetrany ary reo ze mipetraka akao an-dagnitra.7Navela hiady tam-reo mpino ary handresy an'azy reo le bibi-dia. Ary kô, ny faefana de namena an'azy magnerana ny foko, ny ôla, ny fiteny, ary ny firenena daôly. 8Henkoka akeo am'azy daôly ze monigna ambonin'ny tany, reo ze tsy vôsoratra agnarana, nandritran'ny famoronana zao tontolo zao, akao amin'ny Bokin'ny Fiaignana, ze an'ny Zanak'ondry, ze efa novonoina.9Raha misy magnan-tsofina, ôka izy hiaino. 10Raha misy nalaina babo, de hande amin'ny fababona izy. Raha misy novonoina tamin'ny sabatra, amin'ny sabatra no hamonoina an'azy. Ity no antso ho an'ny faretana ary finona ho an'reo ze masina.11Ary naita bibi-dia za niakatra avy tamin'ny tany. Zany de nanagna tandroka roa salan'ny zanak'ondry, ary nitare salan'ny dragona. 12Nampihariny avokô ny faefana daôly an'le bibi-dia vôlôny akeo agnatreny, ary ny tany sy reo ze monigna akeo aminy de aseny menkoka akeo am-le bibi-dia vôlôny, le raika ze sitrany tamin'ny ratra saika nafaty an'azy.13Nagnano fagagana betsaka sady gedabe izy. Nampidigna afo avy aigny an-dagnitra ho amin'ny tany teo agnolôn'ôla. 14Tamin'ny alalan'ny famantarana de namena alalana agnano zany, namitaka an'reo ze monigna ambonin'ny tany zany. Nitare tam-jareo zany mba hagnambôtra sary ho voninahitry ny bibi-dia ze vôratran'ny sabatra nefa velona.15Navela asena aigna ny sarin'ny bibi-dia mba afahan-le sary mitare ary ze daôly tsy magneky menkoka am-le bibi-dia de vonoina. 16Nanery ny tsiraikaraika ihany kô izany, na ny kely na ny ngeda, na ny manankarena na ny mahantra, na ny tsy andevo na ny andevo, de mandray ny marika akeo amin'ny tagnana ankavanana na akeo amin'ny tapikandrina. 17Tsisy ôla mahazo mividy na mivarotra mandra-pahazony ny marika ny bibi-dia, zany de ny isan'ny fanehôgna ny agnarany.18Zany de mitaky faendrena. Raha misy ôla manan-tsaigna, ôka izy hanisy ny isan'ny bibi-dia. Fa zany de isan'ny ôla. Zany isa zany de 666.
Chapter 14

1Nijery za ary natazagna ny Zanak'ondry nitsangana takeo amin'ny tendromboitra Ziona. Niaraka tamin'azy reo 144 000 ze nanagna ny agnarany sy ny agnaran'ny Ray vôsoratra akeo amin'ny tapikandrign-jareo. 2Naregny feo avy aigny an-dagnitra ôtran'ny firodorodon'ny ranobe sy kotroka mafy za. Ny feo reginko iany kô de salan'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.3Nihira hira vaovao takeo agnoloan'ny seza fendrianana sy takeo agnoloan'reo ra managn'aigna efatra sy reo lo'ôla zareo. Tsisy n'iza n'iza afaka nianatra ny hira afa tsy reo 144 000 ze novidiana avy taketo an-tany iany. 4Reo de ôla ze tsy nandoto ny tegnan-jareo tamim-bevavy, fa nitana ny tegnany ho madio ara-nofo zareo. Zany de ze magnaraka ny Zanak'ondry n'aiza n'aiza andeanany. Izy regny de novidina avy tamin'ôlombelona salan'ny vôlom-bokatra ho an'Andriamanitra sy ho an'ny Zanak'ondry. 5Tsisy lainga hita takeo amin'ny molotry zareo, tsy managn-tsiny zareo. [Fanamarihana: Ny dikan-teny sasagny manampy hoe: "Takeo agnoloan'ny seza fendrianan'Andriamanitra"]6Natazagna anjely hafa nagnembana an'ambo za, ze nanagna ny hafatra mandrakizain'ny vaovao mafaly lazaina am'reo ze miaigna ambonin'ny tany, amin'ny firenena, foko, fiteny, ary ny ôla daôly. 7Nagnantso tamin'ny feo mahery izy hoe: "Matahôra an'Andriamanitra ary magnomeza voninahitra an'Azy. Fa tonga ny oran'ny fitsarany. Mivavaha amin'Azy, ny raika ze magnano ny lagnitra, ny tany, ny ranomasina, ary ny loharano."8Nisy anjely hafa - ny anjely faharoa - nagnaraka nitare hoe: "Lavo, lavo Babylona lehibe, ze nandresy lahatra reo firenena daôly mbô hisotro ny divain'ny fitondran-tegna malotony."9Nisy anjely hafa - anjely fatelo - nanaraka an'jareo, niteny tamin'ny feo mahery hoe: "Raha misy mivavaka amin'ny bibidia sy ny sariny, ary mandray ny marika akeo amin'ny handriny na akeo amin'ny tanagny, 10de hisotro ny sasagny amin'ny divain'ny fasosen'Andriamanitra iany kô izy, divay tsy nifangaro ze narotsaka takao agnatin'ny kapôky ny fasoseny. Ny ôla ze misotro zany de ho ampijalena amin'ny afo sy solifara akeo agnolôn'reo anjely masin'Andriamanitra sy akeo agnolôan'ny Zanak'ondry.11Ny setroka avy amin'ny fijaian-jareo de miakatra mandrakizay doria, ary tsy manam-pataperana magnalin'andro zareo - reo no mpanompon'ny bibidia sy ny sariny reo, ary ny ôla daôly ze mandray ny mariky ny agnarany. 12Ty de antso ho an'ny faretana marin'reo ze masina, reo ze mankatoa reo didin'Andriamanitra ary mino an'i Jesosy."13Naregny feo avy aigny an-dagnitra za nitare hoe: "Sorato zao: Sambatra ny maty, ze maty akao amin'ny Tompo." "Yôny, ozy ny Fanahy, mbô afan-jareo miala reraka amin'ny asan-jareo, fa ny vitan-jareo de hagnaraka an'jareo."14Nitazagna za, ary nisy rondro fotsy. Nipetraka takeo amin'ny rondro ny raika ôtran'ny zanak'ôla. Nanagna satro-boninahitra volamena takeo amin'ny lôny sy antsy meloka maragnitra aigny an-tagnany izy. 15De nisy anjely hafa nibôgna avy ao amin'ny tempoly ayri nagnantso tamin'ny feo mahery an'le mipetraka takeo amin'ny rondro nagnano hoe: "Raiso ny antsy meloka ka magnomboa mandidy. Fa tonga ny fotôna fandidena, satria masaka ny vokatry ny tany." 16Ary ny raika ze nipetraka takeo amin'ny rondro nampandroso ny antsy meloka taketo an-tany, ka nodidena ny tany.17Nisy anjely hafa nibôgna avy takao an-tempoly taigny an-dagnitra; nanagna antsy meloka maranitra iany kô izy. 18Mbôla nisy anjely hafa kô nibôgna ny alitara fanrorôna dintin-kazo magnitra, ze nanagna faefana amin'ny afo. Nagnantso tamin'ny feo mahery an'reo ze nanagna antsy meloka fandidena maranitra izy hoe: "Raiso ny fandidenao maranitra ary atangorono reo sampam-bôloboka avy ami'ny vôloboky ny tany, fa reo vôloboka de efa masaka am'zao."19Nampandroso ny fandideny tamin'ny tany le anjely ary nandrôka ny vokatry ny vôloboky ny tany. Natsipiny takao agnaty famiazam-bôloboka gedabe misy ny fasosen'Andriamanitra zany. 20Ny famiazam-bôloboka de nikitsana taigny avelan'ny tanàna, ary ny rà de niraraka avy takao amin'zany ka tonga hatraigny amin'ny haambon'ny lamboridin'tsoavaly, ze 1 600 stadio.

Chapter 15

1Avekeo de natazagna famatarana hafa takeigny amin'ny lagnitra za, goavana sy mahagaga: Nisy anjely fito miaraka amin'ny loza fito, ze loza farany ndrindra, fa am'izy reo no hahatanteraka ny fatezeran'Andriamanitra.2Natazagna ze nibôgna tamin'ny ranomasina fitaratra namperana tamin'ny afo za. Nitsangana takeo akaikin'ny ranomasina reo ze nandresy an'le bibi-dia sy ny sariny, sy ny isa maneho ny agnarany. Izy reo de nitàgna harpa nomen'Andriamanitra an'azy reo.3Izy reo nihira ny hiran'i Mosesy, le mpanompon'Andriamanitra nihiran'ny Zanak'ondry hoe: 'Goavana sy mahagaga reo asanao, Tompo Andriamanitra le Avo indrindra. Marina sy mahitsy reo lalanao, ry Mpanjakan-reo firenena. 4Iza no tsy hatatra Anao, ry Tompo sy hagnome voninahitra ny agnaranao? Fa Enao raika no masina. Ny firenena daôly ho avy sy hivavaka akeo agnatrehanao satria reo asanao marina de efa nambara."5Tafaran-reo ra reo za de nijery, ary nisokatra taigny amin'ny lagnitra le tempoly ze managna lain'ny fijoroana vavolombelona. 6Nivôka avy takao am-le toerana masina indrindra reo anjely fito mitagna reo loza fito. Izy reo de mekanjo madio, lamba rogony mamiratra sy misy fehin-kibo volamena magnodidigna ny tratran-jareo.7Raika tam-reo ra-managn'aigna efatra nagnome an'reo anjely fito vilia volamena fito feno ny fasosen'Andriamanitra, le velona mandrakizay doria. 8Feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy avy amin'ny heriny ny tempoly. Tsy misy na iza na iza afaka miditra akao mandra-patanteraky ny loza fiton-reo anjely fito.
Chapter 16

1Naregny feo mafy nagnantso avy takao an-tempoly za ary nitare tam'reo anjely fito hoe: "Mandiana ary ararafo amin'ny tany reo vilé fito feno ny fasosen'Andriamanitra."2Lasa le anjely vôlôny ary nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny tany; ratra ratsy sy marary no tonga tamin'ny ôla ze nanagna ny mariky ny bibide, reo ze nankalaza ny sariny.3Le anjely faharôy nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny ragnomasina. Lasa rà zany, ôtran'ny ràn'ôla maty, ary maty ny ra managn'aigna daôly takao an-dragnomasina.4Le anjely fatelo nandraraka ny takao am-bilény tam'reo ony sy lôharano, ary lasa rà reo. 5Regniko ny anjelin'ny rano magnano hoe: "Marina Anao, Le ankehitriny sy talô, Le Ray Masina, satria efa nitsara reo ra reo Anao. (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy sasagny talô de mivaky hoe: "Marina Anao, Tompo - Le ankehitriny sy talô ary ho avy, satria efa nitsara ro ra reo Anao.") 6Satria ny ràn'reo mpino sy mpaminagny no nalatsak'zareo, de namenao rà ho sotrona zareo; zany no mendrika an'jareo." 7Regniko ny alitara namaly hoe: "Yôny, Tompo Andriamanitra lehibe, reo fitsaranao de marina sy mahitsy."8Le anjely faefatra nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny masoandro, ary nahazo alalana handoro ny ôla amin'ny afo zany. 9Main'le hafanana be zareo, ary niteny ratsy ny agnaran'Andriamanitra, ze managna ny faefana am'regny loza regny. Tsy nibebaka zareo na nagnome voninatra an'Azy.10Avekeo le anjely fadimy nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny seza fendrianan'le bibide, ary nandrakotra ny fanjakany ny haizigna. Nitsako ny lelany zareo nohon'ny fahorena. 11Niteny ratsy le Andriamanitry ny lagnitra zareo nohon'ny fahorena sy ny ratran-jareo, ary mbôla nandà ny hibebaka am'ze vitan-jareo fôgna zareo.12Le anjely faenina nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny ony lehibe, le Eofrata. Noritina zany mbô hagnomanana ny lalana ho an'reo mpanjaka ze ho tonga avy aigny antsinanana. 13Natazagna fagnahy maloto telo za ze mendrika sahona mivôka avy aigny am-bavan'ny dragona, avy aigny am-bavan'ny bibide, ary avy amin'ny vavan'ny mpaminagny sandoka. 14Fa fagnahin'ny demonia magnano famantarana magaga zareo. Nankaigny am'reo mpanjakan'zao tontolo zao zareo mbô hanangona an-jareo miaraka ho an'ny adin'ny andro gedaben'Andriamannitra Avo ndrindraka.15("Indro! Avy salan'ny mpangalatra Za! Sambatra ze miambina, miaro reo fitafeny mbô tsy hivôka miboridana izy ary hitan-jareo ny famenarany.") 16Nentin-jareo niaraka taigny amin'ny tôrana ze antsôvina hoe Hara-magedona amin'ny Hebreo zareo.17Avy akeo le anjely fafito nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny rivotra. Ary nisy feo mafy nivôka avy takao an-tempoly sy avy tamin'ny seza fendrianana, nagnano hoe: "Vita zany!" 18Nisy tselatra, kotroka, kotro-baratra, ary horohoron-tany mafy - horohoron-tany gedabe noho ze efa nitranga hatram'ze nisian'ôla taketo an-tany, ka de mafy zany horohoron-tany zany. 19Vaky ho fizarana telo le tanàna gedabe, ary rava ny tanànan'reo firenena. Avy akeo Andriamanitra nagnantso mbô hatadidy an'i Babylona lehibe, ary nameny an'zany tanàna zany ny kaôka feno divay vita avy amin'ny firehetan'ny fasoseny.20Nanjavogna ny nosy daôly, ary tsy hita tsony reo tanety. 21Nisy havandra vaventy, milanja eo amin'ny talenta raika eo, nidina avy aigny an-dagnitra ho amin'ôla. Nagnozona an'Andriamanitra zareo nohon'ny loza avy tamin'ny havandra satria tegna mafy lôtra zany loza zany.

Chapter 17

1Raika tam-reo anjely fito ze nitazona reo vilia volamena fito nagnatogna sy nitare taminà hoe: "Avia, ho aseoko an'nao ny sazin'ny mpijangajanga leibe ze mipetra ambony rano maro. 2Niaraka tam'azy no nampijangajanga an'reo mpanjakan'ny tany. Ny dovain'ny fijangajangany no nahamamo reo mponin'ny tany."3Avy akeo le anjely nitondra anà tamin'ny Fagna taigny amin'ny tany karakaigna, ary naita vevavy nipetra takeo ambony bibi-dia mena ze feno agnarana teny ratsy anà. Le biby-dia de managna lô fito sy tandroka folo. 4Le vevavy de nekanjo voloparasy sy mena ary vôravaka volamena, vato sarobidy, ary vato soa. Izy de nitazona tamin'ny tagnany kapôka volamena feno reo ra maharikoriko sy reo tsy fadiovan'ny fijangajangany. 5Takeo amin'ny tapikandriny no nisy agnarana managna dikany misitrika vôsoratra managno hoe: "Babylona leibe, le renin-reo mpijangajanga sy ny ra marikorikon'ny tany."6Naita za fa le vevavy de mamon'ny ràn'reo mpino sy ny ràn'reo maritiora ho an'i Jesosy. Rafa naita an'azy za, de tegna talanjona. 7Fa le anjely nitare taminà hoe: "Magnino no talanjona enao? Ho azavaiko an'nao ny dikan-le vevavy sy le bibi-dia ze mitondra an'azy, le bibi-dia ze managna lô fito sy tandroka folo.8Le bibi-dia ze hitanao de misy, fa tsy misy am-zao fotôgna zao, fa andalam-piakarana avy aigny amin'ny farany ambanin'ny lavaka tsy hita noanoa. Avy akeo de hakaigny amin'ny fasimbana zany. Reo ze miaigna ambony tany, reo ze tsy vôsoratra akao amin'ny Bokin'ny Fiaignana hatramin'ny namoronana an'zao tontolo zao ny agnarany, ho gaga zareo rafa haita fa le bibi-dia de misy, fa tsy misy intsony am-zao fotôgna zao, fa andalam-pevena.9Miantso saigna ze manam-paendrena. Reo lô fito de tanety fito ze hipetrahan-le vevavy. 10Izy reo ihany kô de mpanjaka fito. Mpanjaka dimy no lavo, raika no misy, ary ny hafa de mbola tsy tonga; rafa tonga izy, de fe-potôgna kely ihany no hitôrany.11Le bibi-dia ze misy, fa tsy misy am-zao fotôgna zao, mpanjaka favalo izy; kanefa raika am-reo mpanjaka fito izy, ary hankeigny amin'ny fasimbana.12Reo tandroka folo ze hitanao de mpanjaka folo ze mbola tsy nandray fanjakana, fa hahazo faefana ôtran'ny mpanjaka miaraka am-le bibi-dia, mandritry ny adiny raika zareo. 13Firaisan-tsaigna zany, ary zareo de hagnome ny hery sy ny faefan-jareo an'le bibi-dia. 14Hanangan'ady manoitra ny Zanak'ondry izy reo. Fa ny Zanak'ondry no handresy an'azy reo satria Izy no Tompon'ny tompo, ary Mpanjakan'ny mpanjaka ary miaraka am-reo vôantso, reo vôfidy ary reo manam-pinona."15Ozy ny anjely taminà hoe: "Reo rano ze htazanao, takeo am-le nipetran-le mpijangajanga, no ôla, vondron'ôla firenena, ary fiteny.16Reo tandroka folo ze hitanao, izy reo sy le bibi-dia de hankahala an'le mpijangajanga. Ho ataon-jareo lao sy niboridagna izy, handrovitra ny nofony izy reo, ary handoro an'azy tanteraka amin'ny afo. 17Fa Andriamanitra efa nametraka an'zany takao am-pon'jareo mba hanatanteraka ny fikasany amin'ny faneken-jareo hagnome ny herin-jareo hitondrana le bibi-dia mandrapatanteraky ny tenin'Andriamanitra.18Ary ravevavy, le hitanao no tanàna gedabe ze manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany."
Chapter 18

1Tafaran'reo ra reo de natazagna anjely hafa ze nidigna avy aigny an-dagnitra za. Nanagna fahefana gedabe izy, ary namirapiratra nohon'ny voninahitry ny tany. 2Nihaika tamin'ny feo mahery izy, nitare hoe: "Lavo, lavo le Babylona gedabe! Lasana toerana fonenan'ny devoly, fialofan'ny fanahy maloto, ary fialofana ho an'reo vorona maloto sy marikoriko daôly. 3Fa ny firenena daôly de nisotro ny divain'ny fitondran-tegna malotony. Reo mpanjakan'ny tany de nagnano fitondran-tegna maloto tamin'azy. Reo mpivarotra ny tany de lasana mpanan-karena tamin'ny alalan'ny fomba fiaignany amin'ny nofo."4Avy akeo de naregny feo hafa avy aigny an-dagnitra za, mitare hoe: "Mialà amin'azy, ry oloko, mbô tsy hizarany ny fahotany akao aminareo, ary mbô tsy ahazoanareo reo lozany. 5Efa nihangona salan'ny ahavon'ny lagnitra reo fahotany, ary Andriamanitra matsiaro reo asa ratsiny. 6Mamale an'azy salan'ny namalen'ny hafa, ary valio avy rôy heny ze efa vitany; takao amin'ny kapôka ze efa nofenony, de fenoy avy rôy eny ho an'azy.7Ôtran'izy nagnome voninahitra ny tegnany sy niaigna tami'ny tsy fiafena, ameo an'azy ny fampijalena sy ny alahelo antonogny an'azy. Fa izy nilaza takao am-pony nagnano hoe: "Nipetraka ôtran'ny mpanjaka vavy za. Tsy maty vady za, ary tsy hisaona mandrakizay." 8Noho zany de ho avy amin'ny andro raika reo areti-mandringany: ny fafatesana, ny fisaoana, ary ny silaona. Hodôrôn'ny afo izy, fa ny Tompo Andriamanitra de mahery, ary izy no mpitsara an'azy."9Reo mpanjakan'ny tany ze nijangajanga sy nande tsy am-piheverana niaraka tamin'azy de hitomany ary hiankotra akeo agnatreny rafa hatazagna ny setroky ny famaizany zareo. 10Hitsangana lavitra zareo, hatatra ny fijaleny, hitare hoe: "Loza, loza ho an'le tanàna gedabe, Babylona, le tanàna mahery, fa amin'ny ora raika de ho avy ny sazinareo."11Reo mpivarotra ny tany de mitomagny sy misaona ho an'azy, satria tsisy ôla niady varotra ho an'azy tsony— 12varotra volamena, volafotsy, vato sarobidy, firavaka, lamban-drongony tegna tsara, voloparasy, landy, mena, reo karazaga hazo ala, ny fanaka ivoara, ny fanaka daôly vita amin'ny kakazo sarobidy, varahana, vy, marbra, 13kanelina, zava-manitra, dintin-kazo, miora, hanitra, divay, menaka, koba tsara toto, vary, biby fiompy ary ondry, sôvaly sy kalesy, reo andevo sy fanahin'ôla.14Ny vokatra ze tenao tamin'ny herinao daôly de hiala aminao. Ny entanao lafo vidy sy reo namirapiratra de nanjavona, ary tsy ho hita tsony mandrakizay.15Ny mpivarotra reo entana ze tonga mpanan-karena noho izy de hiala amin'azy lavitra nohon'ny fataorana ny fijaleny, hitomagny sy hisaona mafy. 16Hitare zareo hoe: "Loza, loza ho an'le tanàna gedabe ze niakanjo tami'ny lamban-drongony tegna tsara, volomparasy, sy mena, ary voaravaka tamin'ny volamena, firavaka sarobidy, ary vatosoa! 17Agnatin'ny adiny raika de fôgna zany harena daôly zany. "Reo kapitenin-tsambo daôly, reo mpande aigny ambonin'ny ranomasina daôly, tantsambo, sy ze daôly mipetraka an-dranomasina, de hitsangana alavitra.18Nihaika zareo raha vao nahita an'le satroky ny famaizany. Nitare zareo hoe: "Tanàna ino ma no ôtran'ny tanàna gedabe?" 19Nanipy jofo taigny an-dôhany izy, ary nihaika mafy, nitomagny, sy nisaona, nagnano hoe: "Loza, loza ho an'le tanàna gedabe ze nisy an'reo daôly nagnana reo sambo an-dranomasina no lasana mpanan-karena avy amin'ny harenany. Fa takao agnatin'ny adiny raika de simba zany." 20"Mifalia amin'azy, ry lagnitra, anareo mpino, apostoly, ary mpaminagny, fa Andriamanitra nitondra ny fitsaranareo tamin'azy!"21Anjely mahery raika niaka vato ôtran'ny vato gedabe ary nanipy an'zany taigny an-dranomasina, ary nilaza hoe: "Am'zany fomba zany, Babylona, le tanàna gedabe, harodana miaraka amin'ny herisetra, ary tsy ho hita tsony. 22Le feo nataon'reo lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka sodina, sy trompetra de tsy ho regny akao aminao tsony. Reo mpagnano asa tanana isan-karazany de tsy hita akao aminao tsony. Tsisy feon'ny vato fikosem-bary ho regny tsony akeo aminao.23Ny fazavan'ny jiro, de tsy hamirapiratra akao aminao tsony. Reo feon'ny mpampakatra de tsy ho regny akao aminao tsony, fa ny mpivarotrareo no andrian'ny tany, ary reo firenena de vôfitaka tamin'ny famosavinareo. 24Takao amin'azy no nahitana ny ràn'le mpaminagny, sy reo mpino, ary ny ràn'reo daôly ze vôvono takeo at-tany."

Chapter 19

1Tafaran-reo ra reo de nareigny ze ôtran'ny feo mafin'ny vahôka betsaka takaigny an-dagnitra za nagnano hoe: Aleloia." Ny famojena, ny voninahitra, ary ny hery de an'Andriamanitra. 2Reo fitsarany de marina sy mahitsy, fa nitsara ny mpivaro-tegna leibe ze nanaratsy ny tany tamin'ny fijangajangany izy. Namaly faty ny ràn-reo mpanompony, ze nalatsany izy."3Nitare fandroa zareo hoe: "Aleloia! Ny setroka de miakatra avy aminy mandrakizay daria." 4Reo loholona efatra ambrôpolo sy reo ra-managn'aigna efatra de nekoka ary nanompo an'Andriamanitra ze nipetra takeo amin'ny seza fendrianana. Ozy izy reo: "Amena, Aleloia!"5De nisy feo nivôka avy takao amin'ny seza fendrianana, nagnano hoe: "Derao Andriamanitsika, nareo daôly mpanompony, nareo ze matatra an'Azy, na ny tsy manan-danja na ny mahery."6De nareigny ôtran'ny feon'ôla betsaka be, ôtran'ny firondron'ny rano be, sy ôtran'ny fipôkan'ny kotroka mafy za, nagnano hoe: "Aleloia! Fa manjaka ny Tompo, Andriamanitra ze manapaka amin'ny daôly.7Ôka tsika hifaly sy ho ravoravo ary hagnome voninahitra an'Azy satria tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ary ny ampekariny efa niomagna. 8Namena alalana hiekanjo lamba rongony mamiratra sy madio izy" (fa ny lamba rongony de reo asa marin-reo olo-masina.)9Le anjely nitare taminà hoe: "Soraty zao: Sambatra reo ze nasaina tamin'ny fety fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Nitare taminà kô izy hoe: "Reo de teny marin'Andriamanitra." 10Nekoka takeo amin'ny tongony mba hanompo an'azy za, fa ozy izy taminà: "Aza magnano izao! Izà de mpiara-manompo aminao sy reo rahalanao ze mitana ny fijorona vavolombelona momba an'i Jesosy. Manompoa an'Andriamanitra, fa ny fijorona vavolombelona momba an'i Jesosy de ny fagnan'ny faminagnina."11De natazagna ny lagnitra nisokatra za ary nijery ka nisy sôvaly fotsy. Le mpitaingina izany de nantsovina hoe matoky sy marina. Amin'ny fahamarinana no hitsarany sy hiadiany. 12Reo masony de ôtran'ny lelan'afo, ary akeo amin'ny lôny misy satro-boninahitra betsaka. Magnana agnarana vôsoratra akeo aminy ze tsy misy mahafantatra afa-tsy izy iany izy. 13Mekanjo akanjo lava ze natsoboka takao amin'ny rà izy, ary ny agnarany de nantsovina hoe: Ny Tenin'Andriamanitra.14Reo tafiky ny lagnitra de nagnaraka an'azy tamin'ny sôvaly fotsy, mekanjo lamba rongony fotsy sy madio. 15Avy akao amin'ny vavany no mivôka ny sabatra maragnitra ze am-zany no hamelezany reo firenena, ary hanapaka an'jareo amin'ny tehina vy izy. Magnitsaka akao amin'ny famiazan'ny fahavigniran'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha izy. 16Managna agnarana vôsoratra akeo amin'ny akanjo lavany akeo amin'ny feny izy hoe: "Mpanjakan-reo mpanjaka sy Tompon-reo tompo."17Natazagna anjely nitsangana takeo amin'ny masoandro za. Nagnantso tamin'ny feo mahery reo vorogna manembogna agnambo daôly izy hoe: "Avia, miagona ho an'ny fety leiben'Andriamanitra. 18Avia hinagna ny nofon-reo mpanjaka, ny nofon-reo mpitari-tafika, ny nofon+reo lehilà mahery, ny nofon-reo sôvaly sy reo mpitaingina izany, ary ny nofon'ny lehilà daôly, ny afaka sy ny andevo, ny tsy manan-danja sy ny mahery."19Natazagna ny bibi-dia sy reo mpanjakan'ny tany niaraka tamin'ny tafik'izy reo za. Niangona zareo mba hiady amin'ny raika ze nitikina sôvaly sy amin'ny tafigny. 20Vôsambotra le bibi-dia ary niaraka taminy ny mpaminagny sandoka ze nagnano reo famantarana takeo agnatrehany. Tam-reo famantarana reo no namitahany reo ze nandray ny mariky ny bibi-dia sy reo ze nanompo ny sariny. Izy roey reo de natsipy velona takao agnaty farihin'afo mirehitra solifara.21Ny ambin-jareo de novonoina tamin'ny sabatra ze nivôka ny vavan'ny raika ze nitikina ny sôvaly. Ny vorona daôly nihinana ny nofo mangatsekan-jareo.
Chapter 20

1Ary natazagna anjely nidigna avy taigny an-dagnitra za. Nanagna ny lakilen'ny lavaka tsita noanoa izy, ary nanagna rojo vy gedabe taigny an-tagnany. 2Nisambotra an'le dragona izy, ny megnarana talô, le devoly, na satana, ary nofatorany arivo taona. 3Natsipiny taigny amin'ny lavaka tsita noanoa izy, nidiny zany ary naseny tombo-kase takeo amin'azy. Natao zany mbô tsy hamitahany ny firenena betsaka tsony mandra-patapitry ny arivo taona. Afaran'zany, de tsy maintsy havotsotra fotôna kelikely izy.4Ary natazagna seza fendrianana betsaka za. Nipetraka takeo amboniny reo ze namena faefana mitsara. Natazagna ny fagnahin'reo ze notapahin-dô za noho ny fijoroana vavolombelona makasika an'i Jesosy ary nohon'ny tenin'Andriamanitra. Tsy nenkoka tamin'ny bibide na tamin'ny sariny zareo, ary zareo de nandà ny handray ny mariky ny bibide takeo amin'ny tampikandriny na takeo amin'ny tagnany. Tonga velona ndre zareo, ary nanjaka niaraka tamin'i Kristy nandritran'ny arivo taona.5Ny ambin'reo maty de tsy velona mandra-patapitry ny arivo taona. Zany no fitsanganana vôlôny. 6Sambatra ary masina ze ôla managna anjara amin'ny fitsanganana vôlôny! Eo agnatrehan'zany de tsy managn-kery ny fafatesana faharôy. Zareo de ho mpisorona an'Andriamanitra sy Kristy ary hanjaka miaraka amin'Azy mandritran'ny arivo taona.7Rafa tapitra ny arivo taona, de hovahana akao amin'ny tragnomaizigny Satana. 8Hivôka izy mbô hamitaka ny firenena betsaka aigny amin'ny vazan-tany efatra - Goga sy Magoga - mbô hitondra an-jareo miaraka ho aigny amin'ny ady. Zareo de ho betsaka salan'ny fasiky ny ragnomasina.9Niakatra takeo agnambon'ny tany lemaka zareo ary nagnodidigna ny tobin'reo mpino, le tanàna malala. Nefa nisy afo nidigna avy taigny an-dagnitra ary nandripaka an-jareo. 10Ny devoly, ze namitaka an-jareo, de natsipy takao amin'ny farihy afo solifara, tôrana ze hanipazana ny bibide sy ny mpaminagny sandoka. Ary ho ampijalena andro amagn'alina mandrakizay ary mandrakizay zareo.11Ary natazagna seza fendrianana fotsy gedabe za sy le nipetraka takeo agnambony. Ny tany sy ny lagnitra de nilefa ny fagnatrehany, kanefa tsisy tôrana andianan-jareo. 12Natazagna ny maty za - ny geda ary ny kely - nitsangana takeo agnolôn'ny seza fendrianana, ary navelatra - Ny Bokin'ny Fiaignana. Ny maty de notsaraina araka ze vôsoratra takao am'reo boky, araka reo asany.13Ny Ragnomasina namôka ny maty ze takao agnatiny. Ny fafatesana sy reo fiaignan-tsita de namôka ny maty ze takao amin-jareo, ary ny maty de notsaraina araka ny ra nataony. 14Ny fafatesana sy ny fiaignan-tsita de natsipy takao amin'ny farihy afo. Zany no fafatesana faharôy - de ny farihy afo. 15Raha misy agnarana tsita vôsoratra akao amin'ny Bokin'ny Fiaignana, de natsipy takao amin'ny farihy afo.

Chapter 21

1Avekeo za naita lagnitra vaovao sy tany vaovao, fa fôgna ny lagnitra vôlôny sy tany vôlôny, ary tsisy tsony ny ranomasina. 2Hitako le tagnàna masina, Jerosalema vaovao, ze nidigna avy aigny an-dagnitra ary amin'Andriamanitra, vôomagna ôtran'ny ampakarina ampengoina ho an'ny vadiny.3Nahareigny feo mahery avy aigny amin'ny seza fendrianana za magnano hoe: "Indro! Akeo amin'ny ôla ny tôran'ny tabernakelin'Andriamanitra, ary hiaigna miaraka am-jareo izy. Ho ôla izy reo, ary Andriamanitra tegnany hiaraka am-jareo ary Izy ho Andriamanitr-jareo. 4Hamafa ny ranomaso daôly amin'ny mason-jareo Izy, ary tsisy fafatesana tsony, na alaelo, na tomagny, na fanaintaignana. Efa lasa reo ra teo alô.5Le tokana ze nipetra takeo amin'ny seza fendrianana nitare hoe: "Indro! Natôko vaovao ny ra daôly." Ozy Izy: "Soraty zao satria reto teny reto de mahatoky sy marina." 6Ozy Izy taminà hoe: "Efa vita reo ra reo! Za no Alfa sy Omega, le fendoana sy fefarana. Ze mangetaeta de hameko ho sotroina maimaim-pôgna avy amin'ny loharanon'ny fiaignana.7Ze mandresy de handova reo ra reo, ary Za no ho Andriamaniny, ary izy ho zanako. 8Fa reo osa, tsy manam-pinona, maharikoriko, mpamono ôla, mpijangajanga, mpagnano ody, mpanompo sampy, sy mpandainga, de aigny amin'ny farihy mirehitr'afo solifara no toeran-jareo. Zany no fafatesana faharo."9Nagnatogna anà ny raika tam-reo anjely fito, le tokana ze nanagna an'reo vilia fito feno reo loza fito farany, ary ozy izy hoe: "Avia ety. Ho abôgnako an'nao le ampakarina, le vadin'ny Zanak'ondry." 10Avy akeo de ndesiny tamin'ny Fagna taigny amin'ny tanety ambo za ary nabôgna anà le Jerosalema tanàna masina midina avy aigny an-dagnitra avy amin'Andriamanitra.11Nanagna ny voninahitr'Andriamanitra i Jerosalema, ary ny famirapiratany de ôtran'ny vato soa sarobidy, ôtran'ny vato kristalina jaspy madio. 12Nanagna rindrina avo gedabe niaraka tamin'ny vavahady rombefolo zany, niaraka tamin'ny anjely rombefolo takeo am-reo vavahady. Takeo am-reo vavahady no vôsoratra ny agnaran-reo foko rombefolon'ny zanak'Israely. 13Nisy vavahady telo antsinanana, vavahady telo takeo avaratra, vavahady telo takeo atsimo, ary vavahady telo takeo andrefana.14Nanagna fototra rombefolo ny rindrin-le tanàna, ary takeo am-reo no nisy reo agnarana rombefolon'ny apostolin'ny Zanak'ondry. 15Le raika ze niresaka taminà de nanagna fandrefesana volotara vita tamin'ny volamena mba handrefesana ny tanàna, reo vavahadiny, ary ny rindrigny.16Miendrika efa-joro le tanàna; mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tam-le fandrefesana volotara izy, rôrivo stadio ny halavany (mitovy ny alavany, sakany, ary hambony). 17Nandrefy ny rindrign-zany kô izy, 114hakiho raha refin'ny ôla (zay refin'ny anjely ihany kô).18Vita tamin'ny jaspy le rindrigna ary tamin'ny volamena tsisy fangarony, salan'ny fitaratra madio. 19Ny fototr-le rindrigna de vôravaka tam-reo karazagna vato sarobidy daôly. Ny vôlôny de jaspy, ny faharôy safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda, 20ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryle, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faha raika ambefolo jacinta, ny faha rombefolo ametysta.21Ny vavahady rombefolo de vato soa rombefolo; ny tsirairay am-reo vavahady de vita tamin'ny vato soa raika. Reo lalam-be takeo an-tanàna de volamena tsy misy fangarony, ôtran'ny fitaratra mangarahara. 22Tsy naita tempoly takao amin'ny tanàna za, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanak'ondry no tempoliny.23Ny tanàna de tsy nila masoandro na volana mba hamirapiratra am-zany satria ny voninahitr'Andriamanitra de namirapiratra tam-zany, ary ny Zanak'ondry no jiron-zany. 24Hande amin'ny fazavan-zany tanàna zany reo firenena. Reo mpanjakan'ny tany de hitondra ny fatsaran-jareo ho akao am-zany. (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy talô sasagny de mivaky hoe: "Reo firenena ze vôvonjy de hande amin'ny fazavan-zany tanàna zany.") 25Tsy hidy reo vavahadin-zany mandritry ny andro, ary tsisy aligna akaigny.26Hitondra ny fahatsarana sy ny hajan-reo firenena akao am-zany zareo, 27ary tsisy maloto hiditra akao am-zany miitsy. Tsisy na iza na iza hagnano ra mamenatra na mamitaka hiditra akao, fa reo zay vôsorata agnarana akao amin'ny Bokin'ny Zanak'ondrin'ny fiaignana ihany.
Chapter 22

12Ary nabôgnan'le anjely anà le onin'ny ragnon'ny fiaignana, madio salan'ny kristaly. Zany de mikoriana avy aigny amin'ny seza fendrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry mamakivaky akeo ampovôn'ny lalan'ny tanàna. Ary ny andaniny rôy amin'ny ony de samby misy an'le kakazon'ny fiaignana, mamô karazagna vô rombefolo, ary zany de mamô ny vôny isam-bolana. Ny ravin'zany kakazo zany de natao hagnasitragna ny firenena daôly.3Ka tsisy tsony ny vôozogna. Ny seza fendrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry de ho akao amin'ny tanàna, ary reo mpanompony de hanompo an'Azy. 4Hatazagna ny Endriny zareo, ary ny Agnarany de ho akeo amin'ny andrin-jareo. 5Ka tsisy alina tsony; zareo de tsy mila fazavan'ny jiro na ny masoandro tsony satria ny Tompo Andriamanitra no hazava akeo amin-jareo. Ary hanjaka mandrakizay doria zareo.6Ozy le anjely taminà: "Reo teny reo de azo atokisana sy marina. Ny Tompo, le Andriamanitr'reo fagnahin'reo mpaminagny, de nandefa ny anjeliny mbô hampibôgna ze ra tsy maintsy hitranga tsy ho ela am'reo mpanompony." 7Indro! Efa ankeky ny fiaveko! Sambatra ze mankato reo tenin'ny faminagnena am'ty boky ty."8Za, Jaona, le raika ze nandregny sy nahita reo ra reo. Rafa naregny sy nahita an'zany za, de nenkôtra takeo amin'ny tongotr'le anjely ny tegnako mbô hidera an'azy, le anjely ze nampibôgna anà an'reo ra reo. 9Ozy taminà: "Aza magnany an'zao! Fa mpanompo namanao miaraka aminao za, miaraka am'reo mpaminagny ralahinao, ary miaraka am'reo ze mankato an'reo tenin'ty boky ty. Miderà an'Andriamanitra!"10Ozy taminà: "Aza asena tombo-kase reo tenin'ny faminagnena am'ty boky ty, fa ankeky ny fotôna. 11Ze magnano ny tsy marina, avelao izy hanohy ny tsy famarinana. Ze maloto fiaigna, avelao izy hanohy ny fiaignany maloto. Ze marina, avelao izy hanohy ny fagnanôvana ny marina. Ze masina, avelao izy hanohy ny fahamasinana."12"Indro! Efa ankeky ny fiaveko. Ny valisoako de miaraka aminà, mbô hamaliko ny tsiraikaraika araka ny ra vitany. 13Za no Alfa sy Omega, ny vôlôny sy farany, ny fendôhana sy ny fefarana.14Sambatra reo ze magnasa ny akanjon-jareo mbô ahazo alalana mihinana avy amin'ny hazon'ny fiaignana sy hiditra akao amin'ny tanàna avy akeo amin'ny vavahady. (Fagnamarihana: Raha tokony: "Sambatra reo ze magnasa ny ankajon-jareo." Reo antontan-taratasy hafa talô de mivaky hoe: "Sambatra reo ze magnano ny didiny.") 15Fa aigny avelany reo alika, reo mpagnano ody, reo mpijangajanga, reo mpamono ôla, reo mpanompo sampy, ary ze daôly te mandainga sy reo mpandainga.16Za, Jesosy, de nandefa ny anjeliko mbô hagnambara aminareo an'reo ra ho an'reo fiangonana. Za no fakany sy taranak'i Davida, le kintana mamirapiratra marina."17Ny Fagnahy sy ny Ampakarina magnano hoe: "Ave!" Ôka ze mandregny hitare hoe: "Ave!" N'iza n'iza mangetaheta, ôka izy hagnatona, ary n'iza n'iza magniry an'zany, ôka izy ahazo maimaim-pôgna ny ranon'ny fiaignana.18Za de magnambara am'ze dôly mandregny ny tenin'ny faminanena am'ty boky ty: "Raha misy magnampy an'reo, Andriamanitra hagnampy loza ho an'azy ze vôsoratra akao am'ty boky ty. 19Raha misy magnaisotra ny teny faminagnena am'ty boky ty, Andriamanitra de hagnaisotra ny anjarany amin'ny hazon'ny fiaignana sy ny tanàna masina ze vôsoratra akao agnatin'ty boky ty." (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy talô de mivaky hoe: "Andriamanitra hagnaisotra ny anjarany akao amin'ny Bokin'ny Fiaignana ary akao amin'ny tanàna masina ze vôsoratra akao am'ty boky ty.")20Ozy le raika ze magnambara reo ra reo: "Yôny! Efa ankeky ny fiaveko." Amena! Tongava, ry Tompo Jesosy! 21Ho amin'ny ôla daôly anie ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy. Amena.