Malagasy, Sakalava: Bible for 1 Corinthians, 1 John, 1 Peter, 1 Thessalonians, 1 Timothy, 2 Corinthians, 2 John, 2 Peter, 2 Thessalonians, 2 Timothy, 3 John, Colossians, Ephesians, Galatians, Hebrews, James, Jude, Luke, Mark, Matthew, Philemon, Philippians, Revelation, Romans, Titus

Formatted for Translators

©2022 Wycliffe Associates
Released under a Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Bible Text: The English Unlocked Literal Bible (ULB)
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English Unlocked Literal Bible is based on the unfoldingWord® Literal Text, CC BY-SA 4.0. The original work of the unfoldingWord® Literal Text is available at https://unfoldingword.bible/ult/.
The ULB is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Notes: English ULB Translation Notes
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English ULB Translation Notes is based on the unfoldingWord translationNotes, under CC BY-SA 4.0. The original unfoldingWord work is available at https://unfoldingword.bible/utn.
The ULB Notes is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Below is a human-readable summary of (and not a substitute for) the license.
You are free to:
The licensor cannot revoke these freedoms as long as you follow the license terms.
Under the following conditions:
Notices:
You do not have to comply with the license for elements of the material in the public domain or where your use is permitted by an applicable exception or limitation.
No warranties are given. The license may not give you all of the permissions necessary for your intended use. For example, other rights such as publicity, privacy, or moral rights may limit how you use the material.

Matthew

Chapter 1

1Gny bokin-drazan'i Jesosy Kristy gnanak'i Davida voho Abrahama. 2Abrahama ro baban'Isaka, voho Isaka ro baban'i Jakoba, sady Jakoba ro baban'i Joda sy rahalahiny. 3Joda ro baban'i Fareza sy Zara bakamin'gny Tamara, Fareza ro baban'i Herzona, voho Herzona ro baban'i Rama.4Rama ro baban'i Aminadaba, ka Aminadaba ro baban'i Nasona, sady Nasona ro baban'i Saloma. Saloma ro baban'i Boaza tamin'gny Rahaba, 5Boaza ro baban'i Obeda tamin'gny Rota, Obeda ro baban'i Jese. 6Ka Jese ro baban'i Davida mpanjaka, Davida ro baban'i Solomona tamin'gny alala gny vadin'gny Oria.7Solomona ro baban'i Rehoboama, Rehoboama ro baban'Abia, ka Abia ro baban'i Asa. 8Asa ro baban'i Jaosafata, kaJaosafata ro baban'i Jorama, ka Jorama ro baban'i Ozia.9Ozia ro baban'i Jotama, Jotama ro baban'i Ahaza, Ahaza ro baban'i Hezekia. 10Hezekia ro baban'i Manase, Manase ro baban'i Amona, ka Amona ro baban'i Josia. 11Josia ro razan'i Jekonia voho reo rahalahiny tamin'gny fotoa fandroaha ho agny Babylona.12Tafara gny fandroaha ho agny babylona, Jekonia ro baban'i Sealtiela, ka Sealtiela ro razan'i Zerobabela. 13Zerobabela ro baban'i Abihoda, Abihoda ro baban'i Eliakima, ka Eliakima ro baban'i Azora.14 Azora ro baban'i Zadoka, Zadoka ro baban'i Akima, ka Akima ro baban'i Elihoda.15Elihoda ro baban'i Eliazara, Eliazara ro baban'i Matana, ka Matana ro baban'i Jakoba.16 Jakoba ro baban'i Josefa valin'i Maria, raiky niteraky an'i Jesosy, nikinaiky hoe Kristy. 17Gny taranaky iaby manomboky amin'i Abrahama ka domo amin'i Davida taranaky efatry ambin'gny folo, manomboky amin'i Davida ka domo amin'gny fandroaha ho agny Babylona ro taranaky efatry ambin'gny folo, ka manomboky amin'gny fandroaha ho agny Babylona ka domo amin'gny Kristy ro taranaky efatry ambin'gny folo.18Manahaky an'izao ro nitranga gny fahaterahan'i Jesosy Kristy. Neniny, Maria, ro fa natoka hanambaly an'i Josefa, fe taloha gny niarahan-dreo, ro hita fa nitoe-jaza i bakamin'gny Fagnahy Masy. 19Josefa, valiny, lehilahy marina, ro dasy tsy ta-hangala baraka azy ankavoria. ka nanapa-kevitry I gny hamara mangiky gny fifanekea taminy.20Laha I ro mbo nieritreritry mahakasiky gny raha reo, ka niseho taminy gny nofy gny anjelin'i Tompo, manao hoe: " Josefa, gnanaky lahin'i Davida, ka matahotry gny hangala an'i Maria ho valinao, fotony gny raiky notorotoroy ao agnatiny ro gny Fagnahy Masy ro nampitoetry azy. 21Hiteraky zaza lahy I, ka iha ro hikaiky gny agnarany hoe jesosy, fa I ro hamonjy gny olo hiala amin'gny fahotan-dreo."22Raha iaby zay ro nitranga mba hahatanteraky gny nambaran'i Tompo tamin'gny alala gny mpaminany, manao hoe:"23 Ingo, gny virijiny hitoe-jaza ka hiteraky zazalahy, ka reo ro hikaiky gny agnarany hoe Imanoela" midika hoe:" Amintsika Andrianagnahary."24Nifoha tamin'gny torimasony Josefa ka nanao araky nandidia gny anjelin'gny Tompo azy ka nangala ho valiny. 25Fe tsy niharo taminy I paraky niterahany zazalahy. Ka kinaiky hoe Jesosy gny agnarany.
Chapter 2

1Tafara gny nahaterahan'i Jesosy tao Betleheman'i Jodia tamin'gn'andron'i heroda mpanjaka, ro niavy tao Jerosalema johary manam-pahaiza bak'an-tignana agny nivola hoe: 2"Aia I gnazy teraky ho mpanjaka gny Jiosy? Nahajery gny vasiabak'antigna zahay sady avy mba handrengy azy." 3Lafa nahakasa zay Heroda mpanjaka, ka nihorohoro I, voho i Jerosalema iaby niaraky taminy.4Nandesin'i Heroda niaraky gny loha gny mpisoro iaby voho gny mpagnora-dalan'gny olo, sady nagnontany azy reo hoe: "Aia ro hahaterahan'i Kristy?" 5Nivola taminy reo hoe: "Ao Betleheman'i Jodia, fa zaho ro voasoratry gny mpaminany hoe: 6'Ka iha, Betlehema, agny amin'gny tany gny Joda, ka ty kely mare amin'reo mpitondran'i Joda, fa avy aminao ro iavian'gny mpanapaky gnazy hiamby gny oloko Israely."'7Ka nikaiky mangiky gny johary manam-pahalala i Heroda mba hagnontany andreo mazava soa gny fotoa nipoira gny basia. 8Nalefany tagny Betlehema reo, manao hoe: "Mandehana ka fotoro soa gny mahakasiky gny zaza. Lafa jerinareo I, ka agnambarao aho, mba afahako mandeha koa handrengy azy."9Tafara gny nandresean-dreo gny mpanjaka, ro nandeha tamin'gny lalany reo, sady gny basia hitansreo t'antignana tegny ro hitariky andreo paraky hijanonany t'ambony gny toera nisy gny zaza. 10Lafa nahajery gny basia reo, ka votraky sinisiny mare.11Nilitry t'an-tragno I reo sady nahajery zaza niaraky tamin'i Maria reniny. Niankohoky sady nandrengy azy reo. Nanokatry gny mpisy harea reo sady nanolotry gny fagnomeza volamena, dintin-kazo magnitry, voho gny miora ho azy. 12Nampitandry andreo tamin'gny nofy Andrianagnahary mba tsy himpoly agny amin'i Heroda, ka lala hafa ro nandehanadreo namonjy gny firenea ndreo.13Lafa roso reo, ka nisy anjelin'i Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'gny alala gny nofy sady nivola hoe: "Miarena, andeso gny zaza voho gny reniny, ka mandosira agny Egypta. Mitoera agny paraky hivolagnako aminao, fa i Heroda ro mitady gny zaza mba hamonoany azy." 14Alik'igny Josefa ro nifoha sady nanday gny zaza voho gny reniny ka nandeha a Egypta. Nipetraky tagny I paraky hifatesan'i Heroda. 15Zay ro nagnatanteraky gny nambaran'i Tompo tamin'gny alalan'gny mpaminany hoe: "Kinaiko hiala tagny Egypta gny gnanako."16Bakeo Heroda, lafa nahajery fa voafitaky gny johary manam-pahalala, ka nasiaky mare. Nagniraky voho nampamono gny zazalahy iaby roa tao mizotso tao Betlehema voho tao amin'gny faritsy iaby, araky gny fotoa nofotara gny mazava tamin'gny lehilahy manam-pahalala.17Bakeo ka tanteraky gny safa nivolagny tamin'gny alalan'i Jeremia mpaminany hoe: 18"Nisy feo kasa tao Rama, fitomagnia voho fisaonam-be, mitagny noho gny amin'gny gnanakiny i Rahely, sady tsy nagneky gny ho ampanginy i, fotony fa lasana reo."19Lafa maty i heroda, ingo, nisy anjelin'gny Tompo hita tamin'i Josefa tagny Egypta tamin'gny nofy sady nivola hoe: 20"Mifohaza ka andeso gny zaza voho gny reniny ka mandehana agny amin'gny tanin'Israely, fa maty gnazy nifofo gny ain'gny zaza." 21Nifoha Josefa, nandesiny gny zaza voho gny reniny, ka nandeha tagny an-tanin'Israely.22Fa lafa kasany fa i Arkelaosy ro nanjaka tagny Jodia nandimby an'i Heroda babany, ka natahotry gny handea agny I. Tafara gny nampitandreman-Dragnahary azy tamin'gny nofy, ka niala nandeha amin'gny farits'i Galilia I 23ka nandeha sady nipetraky tao amin'gny tana kahia hoe Nazareta. Zay ro nahatanteraky gny voavola tamin'gny alala gny mpaminanay reo hoe: "Nazarena ro hikahia azy."
Chapter 3

1Tamin'gny andro zay ro nandeha nitory tagny agn'efitr'i Jodia i Jaona mpanao batisa manao hoe: 2"Mibebaha, fa akaiky gny fanjakan'gny lagnitry." 3Fa I ro nivolagnin'Isaia mpaminany, manao hoe: "Misy feo raiky mikaiky mare agny agn'efitry hoe: 'Amboaro gny lalan'gny Tompo, ahitsio gny lalany."'4Ka Jaona nisiky volon-drameva ka nanao fehikibo hoditry tamin'gny valahany. Valala voho gny tantely remby ro nataony fihina. 5Ka Jerosalema, Jodia iaby, voho gny faritry iaby magnodidy gny reniranon'i Jordana ka nagnato azy. 6Nataony batisa tegny amin'gny reniranon'i Jordana reo, lafa nikaiky gny fahotany.7Voho nahajery gny Fariseo voho Sadoseo maro nagnanto azy mba ho atao batisa i, ka hoy I tamy ndreo hoe: "Ry taranaky menarana feno poizy, ia ro nampitao agnareo hitsoaky gny fahasiaha zay ho avy? 8Mamihy vihy manahaky gny fisolohoa. 9Sady ka misaina gny hanao anakam-po hoe: 'Magna agn'i Abrahama ho baba zahay.' Fa volaniko aminareo fa Andriagnanahary ro mahavita mananga agnaky ho agn'i Abrahama gna baka amy reo vato reo aza.10Sady lafa napetraky eo am-pototry gny hazo gny famaky. Ka reo hazo iaby zay tsy mamoa voa soa ro ho tapahy sady atoraky agny anaty motro. 11Manao batisa agnareo amy gny rano ho amy gny fibebaha aho. Fa mahery noho zaho I zay avy afarako, sady zaho ro tsy mendriky mihitsy gna gny hanaday kapany aza. Hanao batisa agnareo amy gny Fanahy Masina sy gny motro I. 12Fa an-tanany egny gny fikororoha mba hanadiova gny famoloany sady hanandraria gny variny agny an-tsompitra. Fa I ro handoro reo akofa amy gny motro zay tsy mety maty."13Avy eo Jesosy baka Galilia ka avy teo amy gny renindranon'i Jordana mba ho ataogn'i Jaona batisa. 14Nefa i Jaona ro niezaky gnanaka azy, manao hoe: "Zaho ro mila ataonao batisa, gnefa anao koa va ro mamondry ahy?" 15Jesosy namaly sady nivola taminy hoe: "Enkeo zay henaniky zao,fa zao no mety amintsika hahatanteraky gny fahamarina iaby." Bakeo Jaona gnanenky azy.16Lafa vita batisa I, ka niboaky tanaty gny rano Jesosy, sady indroy, nisokatry taminy gny lanitry. Hitany gny Fanahy Andriagnanahary lai voromailala sady nandeha tanambony. 17Sady misy feo baka an-danitry agny gnanao hoe: "Inty ro Agnako malalako. Izay sitrako indrindra."
Chapter 4

1Bakeo Jesosy notarihy gny Fanahy ho agny an'efitry mba halainy devoly fanahy. 2Lafa baka nifaly hagny efapolo andro sy efapolo aliky I, ka mosary. 3Gnamondry gny mpangala fanahy ka nivola taminy hoe: "Laha Agnak'Andriagnanahary Agnao, volano handrary mofo vato reo." 4Fa Jesosy namaly ka gnanao taminy hoe: "Voasoratry hoe: "Tsy gny mofo avao ro hiveloma gny olo fa zay safa iaby aboaky gny vavan'Andriagnanahary."5Bakeo devoly nanday azy tagny amy gny tana masina ka nametraky azay teo amy gny faragny anambo gny tempoly, 6sady nivola taminy hoe: "Laha Agnak'Andriagnanahary Anao, milatraha ambany agny, fa voasoratry hoe: "I handidy reo anjeliny hiasabaka anao sy hanandratry Anao eo amy gny tagna ndreo, ka tsy ho tafisitry amy gny vato gny tombokinao."7Jesosy nivola taminy hoe: "Mbo voasoratry ndraiky hoe: 'Tsy tokony hitsapa gny Tompo Andriamanitrao anao." 8Gnandesi gny devoly handeha amy gny toera anabo ndraky I sady natorony azy gny fanjaka iaby amy zao tontolo zao sy gny hasoa ndreo. 9Hoy I taminy hoe: "Reo raha iaby reo ro homeko anao, laha hoatry ka miondriky amiko eto sy midera ahy anao."10Bakeo Jesosy nivola taminy hoe: "Miala eto anao, ry Satana! Fa voasoratry hoe: 'Anao ro hidera gny Tompo Andrimanitrao sady I raiky avao no ho tompoinao."' 11Bakeo nanenga Azy gny devoly, sady regny, nisy anjely avy ka gnanompo Azy.12Lafa niren'i Jesosy fa voasambotry Jaona,nimpoly nandeha Galilia I. 13Gnanenga agn'i Nazareta I ka gnandeha sady nimpetraky tao Kapernaomy, zay tan-driaky gny Galilia, ao amy gny zara tanin'i Zebolona sy Naftaly.14Izay ro niseho mba hahatanteraky zay gnambaran'Isaia mpaminany hoe: 15"Gny tanin'i Zebolona sy gny tanin'i Naftaly, mandeha amy gny riaky, agny an-dafin'i Jordana, Galilia agn'ireo Jentilisa! 16Reo olo nipetraky tamy gny maiky ro nahita fahazava bevata, sady reo zay nipetraky tamy gny faritry sy gny talindro gny fahafatesa, tamy ndreo ro nipotira gny fahazava."17Sady tamy zay fotoa zay Jesosy ro nanomboky nitory teny sy nivola hoe: "Mibebaha, fa mariniky gny fanjaka gny lanitry."18Laha gnandeha tamy gny sisiny riakin'i Galilia I, sady nahita mmpirahalahy roa, Simona gnazy nikehy hoe Petera, voho Andrea rahalahiny, gnanoraky harato tan-driaky eny, fa mpihaza reo. 19Hoy Jesosy tamy ndreo hoe: "Andao, hanaraky Ahy, fa hataoko mpihaza olo gnareo." 20Teo noho eo avao ro nanenga harato reo ka gnanaraky Azy.21Sady laha mbo nandeha Jesosy no nahita mpirahalahy roa hafa, Jakoba agnak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny. Gnanamboatry gny haratony tanaty sambo tao reo niaraky tamin'i Zebedio baban-dreo. Gnikaiky azy reo I, 22ka teo no ho eo avao ro gnanenga gny sambokely sy baban-dreo reo ka gnanaraky Azy.23Gnandeha erak'i Galilia Jesosy, nampianatry tao amy gny synagoga reo, nitory gny safa soa gny fanjaka, voho gnanadranga reo karazan'arety iaby voho gny rofy iaby tamy gny olo. 24Niparitaky eran'i Syria gny vaovao mahakasiky Azy, ka nandesy gny olo Taminy teo zay marary iaby, marary gny karazan'arety sy fangirifiria reo demoniaka, sy zay marary gny androbe sy marary gny paralysia. Nositran'i Jesosy i reny. 25Vahoaky maro avy baka Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia voho gny baka agny an-dafin'i Jordana ro gnanaraky Azy.
Chapter 5

1Lafa nahita gny vahoaky Jesosy, ka niakatry t'an-tendrombohitry. Lafa tafapetraky I, nagnanto Azy gny mpianany. 2Nanokatry gny vavany I sady nampianatry andreo, manao hoe: 3"Sambatry gny mahantra am-pagnahy, fa gnazy reo gny fanjakan'gny lagnitry. 4Sambatry reo misaona, fa hampionina andreo.5Sambatry gny malemy fagnahy, fa reo ro handova gny tany. 6Sambatry reo ze mosary sy mangetaheta gny fahamarigna, fa ho vokisa reo. 7Sambatry reo mpamindra fo, fa hahazo famindram-po reo. 8Sambatry reo madio am-po, fa hahita an-Dragnahary reo.9Sambatry reo mpampihava, fa reo ro kahia hoe gnanakin-Dragnahary. 10Sambatry reo ze enjehy nohon'gny fahamarigna, fa gnazy reo gny fanjakan'gny lagnitry.11Sambatry nareo laha magniratsira anareo voho magnenjiky anareo gny olo, sady mivola gny karazam-bandy raty iaby hanohitry anareo nohon'gny amiko. 12Misinisinia sy mifalia, fa bevata gny valisoanareo agny an-dagnitry. fa manahaky an'zay gny fomba nagnenjehan'gny olo reo mpaminany ze niay talohanareo.13Gnareo ro sira gny tany. Ka laha gny sira ro mandrary matsatso, amy gny fomba akory ro ampasira azy ndraiky? Tsy ho soa na amy gny ino na amy gny ino koa izay fa haria sy ho hitsahy gny tomboky gny olo sisa. 14Gnareo ro fahazava gny izao raha iaby zao, Gny tana miory amy gny hanambony tsy ho havony koa.15Tsy misy olo mampirehitry jiro ka mametraky izay ambany haro,fa eo amy gny fipetrahan-jiro, sady manazava gny raha an-trano izay. 16Aoka hazava alohan'olo manahaky izay fomba zay gny fahazavanareo mba ahita ndreo gny asa soa ataonareo sady ankalazany gny Babanareo zay an-danitry agny.17Ka mieritseritry hoa avy handrava gny lily na reo mpaminany Aho. Tsy avy hamotiky an-dreo Aho, fa hanatanteraky azy reo. 18Fa volaniko amignareo amrina fa mandra-pahatoro gny lanitry voho gny tany, tsy ho rava amy gny lily na soratry sy tendrin-tsoratry raiky aza, mandra-pahatanteraky gny raha iaby.19Noho zay na ia na ia mandika gna gny kely mare amy reo lily reo sy mampiantry gny hafa anao manahaky izay ka hikehy hoe kelikely mare ao amy gny fanjaka gny lanitry. Fa gna ia gna ia manenky sy mampianatry azy reo ka ho kehy hoe bevata ao amy gny fanjaka gny lanitry. 20Fa volaniko amignareo fa laha tsy mihoatry noho gny gnany mpanoratry lalana sy gny fariseo gny fahamarinanareo, ka tsy hilitry ao amy gny fanjaka gny lanitry mihitsy gnareo.21Fa renareo fa voasafa tamy fa ela hoe: 'Ka mamono olo,' sady 'Gna ia gna ia mamono olo ho helohy agmy amy gny fitsara.' 22Fa volaniko aminareo fa izay meloky amy gny rahalahiny ro maeva gny ho helohy agny amy gny fitsara, sady gna ia gna ia mivola gny rahalahiny hoe: 'Iha ro olo-poa!' ka ho helohy agny amy gny filan-kevitry; sady gna ia gna ia mivola hoe: 'Adala Iha!' mendriky gny ho agny amy gny farihy mirehitry motro.23Noho zay laha manolotry gny fagnatitry nao eo amin'gny alitara iha ka tiaronao teo fa mana alahelo aminao gny rahalahinao, 24engao alohan'gny alitara gny fagnatitry nao, ka mandehana tohizo gny lalanao. Milongo aloha amin'gny rahalahinao, sady mimpolia ka omeo gny fagnatitry nao.25Mihavagna malaky amin'gny mpiampanga anao laha mbo miara-dia aminy agny amin'gny fitsara iha, fandrao gny mpiampanga anao hanolotry anao amin'gny mpitsara, sady gny mpitsara mety hanolotry anao amin'gny manam-boninahitry, ka hatao ao an-tragno mahiky iha. 26Volagniko marina aminareo, fa tsy ho afaky miboaky ao mihitsy iha paraky handoavanao gny vola farany kely mare amin'gny trosanao.27Fa renareo fa nivolagny hoe: 'Ka mijangajanga.' 28Kanefa volagniko aminareo fa ze iaby mijery ampela ka magniry azy ro fa mijangajanga am-pony saheiny.29Laha mampasiaky anao gny masonao ankavagna, alao ka ario lavitry anao. Fa soa ho anao laha gny ampahany raiky amin'gny vatanao ro tokony ho simbay fa tsy teanao iaby ro atoraky agny amin'gny helo. 30Laha mampasiaky anao gny tagnanao ankavagna, alao ka ario lavitry hiala anao. Fa soa hoanao laha gny ampahany raiky amin'gny vatanao ro tokony ho very fa tsy gny tegnanao iaby ro atoraky agny amin'gny helo.31Sady fa nivolagny avao koa hoe: 'Na ia na ia ze misaraky amin'gny valiny, engao i hagnome azy gny taratasy fisaraham-panambalea.' 32Fa Zaho koa mivola aminareo fa ze iaby misaraky amin'gny valiny, afatsy nohon'gny fijangajanga, ka mampijangajanga azy. Na ia na ia manambaly azy afaran'gny fisarahany ro mijangajanga.33Sady, kasanareo fa voasafa tamin'gny ntaolo hoe: 'Ka minehaneha fiaigna diso, fa andeso eo agnatrehan'gny Tompo gny fiaignanao.' 34Fa Zaho koa mivola aminareo, ka minehaneha amin'gny raha iaby, na amin'gny lagnitry aza, fa seza fiandrianan'Dragnahary zay; 35na amin'gny tany, fa fitoeran-tombokiny zay; na koa amin'gny Jerosalema, fa tananan'gny mpanjaka bevata zay.36Ka minehaneha amin'gny lohananao, fa tsy afaky magnafotsy na magnamainty gny singam-bolo raiky iha. 37Fa engao gny teninao ho 'Eny, eny,' na 'Tsia, tsia.' Zay mihoatry an'zay ro avy amin'gny raty.38Renareo fa voasafa hoe: 'Maso solon'gny maso, sady nify solon'gny nify.' 39Fa Zaho koa mivola aminareo hoe: ka manohitry ze raty. Fa koa, ndre ia ndra ia mamely gny takolaky nao ankavagna ka atoro azy koa gny ilany.40Laha misy olo magniry gny hiaraky aminao ho agny amin'gny fitsara ka magnendakyy gny akanjonao, ka engao ho gnazy avao koa gny lambanao. 41Ndre ia ndre ia manery anao andeha kilometatry raiky, mandehana miaraky amin'gny kilometatry roa. 42Omeo ze mangataky aminao, sady ka manda ndre ia ndre ia magniry gny hindra aminao.43Fa renareo fa voasafa hoe: 'Tsy maintsy mitia gny mpiara-belo aminao iha sady magnaboka gny fahavalonao.' 44Fa volagniko aminareo, tiavo gny fahavalonareo ka mivavaha ho an'ze magnenjiky anareo, [Fagnamariha: Ny dikan-teny taloha soa bevata dia manala ny hoe: ""'Misaora reo ze manozo anareo, manaova ny soa amy reo ze mankahala anareo.""'] 45mba ho avy gnanaky gny Babanareo zay agny an-dagnitry nareo. Fa I ro mampiposaky gny masoandrony amin'gny raty voho gny soa, ka mampilatsaky gny ora amin'gny marina voho gny tsy marina.46Fa laha ze tea anareo ro tiavonareo, ino gny valisoa azonareo? Moa ndre ngy mpamory hetra aza tsy mba manao manahaky an'zay koa? 47Laha gny rahalahinareo avao ro arabainareo, ino ro mba ataonareo mihoatry gny hafa? Moa ndre gny Jentilisa aza tsy mba manao manahaky an'zay koa? 48Noho zay ro tsy maintsy tanteraky nareo, manahaky gny fahatanterahan'gny Babanareo an-dagnitry agny.
Chapter 6

1Tandremo tsy hanao gny asan'ny fahamarinanareo eo amason'olo mba ho hita nareo, fa laha izay ro ataonareo tsy hana valim-pitia baka amin'ny Babanareo zay agny an-dagnitry nareo. 2Ka amin'izao lafa mahaferignay olo iha, ka mitsoky trompetra eo alohanao, manahaky gny ataon'ny mpitsaravelatsihy eo aminy synagoga voho egny andalambe mba hankalazan'olo azy. Safagniko aminareo gny tena marina fa niazony gnazy gny valimpitiany.3Fa iha koa, laha mihantra olo, ao mba tsy ho hain'ny tagnanao havia gny ataon'ny tagnanao havagna, 4mba hatao amingny mangingina gny fiantranao sady gny Babanao izay mahita aminy mangingina ro hamaly anao.5Lafa nareo ro mivavaky ka mba manahaky gny ataon'ny mpihatsaravelatsihy, fa I tia mivavaky mitranga eo amigny synagoga voho egny anjoron-dala mba hahitan'olo azy. Safagniko aminareo tena marina fa niazony gnazy gny valim-pitiany. 6Fa iha koa, lafa mivavaky, milira ao amigny efitragnonao bakeo arindrinao gny varavara dia mivavaky amigny Tompo izay mahita anao aminy mangingina ro hamaly anao. 7Lafa nareo mivavaky ka misafa maro manahaky gny Jentilisa, fa reo mihevitry hoe: gny hamaroan'ny safa ro hijanjigna azy.8Noho izay, ka manao manahaky azy reo, fa gny Babanareo ro fa mahay gny raha izay ialinareo mialoha gny angatahaninareo Aminy. 9Noho izay mivavaha manahaky izao hoe: "Babanay izay an-danitry agny, ho hamasiny agnie gny agnaranao. 10Ho avy agnie gny fanjakanao. Hatao agnie gny sitraponao ety an-tany manahaky gny an-danitry agny.11Omeo anay zay hany sahaza ho anay. 12Avotoro gny helokinay, manahaky gny namotoranay zay nimeloky taminay. 13Ka manday anay ho agny aminy fakam-panahy, fa magnafaha anay amigny raty." [Fagnamariha: Ny dikan-tsafa soa bevata dia manala ny hoe: "Fa Anao ny fanjakana voho ny hery voho ny voninahitsy mandrakizay. Amena."]14Laha mamela gny fahadisoan'olo nareo dia mba hamela anareo koa gny Babanareo zay agny an-dagnitry. 15Fa laha tsy mamela gny fahadisoandreo anareo, dia tsy hamela ny hadisoanareo mihitsy gny Babanareo.16Lafa mifaly hany nareo ka manao manahaky gny mpihatsara velatsihy, izay manao soraky raty amin'izay mba ho hitan'olo fa mifaly hany. Volagniko aminareo marina tokoa fa niazony gny valim-pitiany. 17Fa iha koa lafa mifaly hany, hosoro menaky magnitry lohanao voho sasao soa gny vatanao, 18mba tsy ho hitan'olo fa mifaly hany iha, fa ho hitan'ny Babanao zay ao amin'gny mangingina sady gny Babanao zay mahita ao amin'gny mangingina ro sady hamaly anao.19Ka mihary haregna ho anareo etoy an-tany, zay misy kalalao voho harafesy manimba sady misy mpangalatry mamaky tragno voho mangalatry. 20Fa miharea harea ho anareo agny an-dagnitry zay tsy misy kalalao na harafesy manimba sady tsy misy mpangalatry mamaky tragno na mangalatry. 21Fa zay ipetrahany'ny hareanareo ho agny koa fonao.22Gny maso ro jiron'gny gainareo, ka amin'izay laha soa gny masonao, ka hazava iaby koa gny gnainao. 23Fa laha raty masonao ka ho mahiky koa gnainao iaby. Ka laha mahiky gny fahazava ao agnatinao ka tsy gny manao akory koa gny habevatan'gny fahamahizigna. 24Tsy misy olo mahay manompo tompo roa, fa ho halany gny raiky voho ho tiany gny raiky, na hombany gny raiky voho hohamavoiny gny raiky. Tsy mahay manompo an'Andrianagnahary voho gny harea anareo.25Noho zay agnambarako anareo hoe: ka mavozo gny amin'gnainareo amzay hohaninareo na hinominareo na gny amin'gny vatanareo na zay hosikinanareo koa gny vato?26 Diniho gny voro mitily fa tsy mba mamboly, fa gny Babanareo zay agny an-dagnitry ro mamelo azy. Tsy mihoatry lavitry noho regny va nareo?27Sady ia aminareo mahay magnovo gn'andro iainany ndra mbo mavozo aza? 28Magnino moa nareo ro miahiahy amin'gny fisikina? Diniho soa gny fitirignany hazo agny an-tsaha, tsy mba miasa na mamboly regny. 29Kanefa volagniko aminareo fa i Solomona tao amigny voninahitriny iaby tsy mba misiky ndra iraiky tamy regny hazo regny.30Laha gny hazo agny an-tsaha, zay mbo henaniky io kanefa atao motso avao, ro ampisikinan-Dragnahary sandraky va nareo kely finoa? 31Ka miahiahy nareo na misafa hoe: ino hohaninay? Na ino hohaninay na hosikinanay.32Fa zay iaby izay ilainy gny Jentilisa mare, hainy babanareo zay agnyan-dagnitry fa ilainareo zay iaby zay. 33Fa hifikiro aloha gny fanjakany voho gny fahamarignany sady I hagnampy anareo amin'izay raha iaby zay.34 Ka mavozogny aminy hamaray nareo , fa gny hamaray hanahy gnazy. Ampy hoan'gny andro raiky gny raty miseho aminy.
Chapter 7

1Ka mitsara mba tsy ho tsarahy koa nareo. 2Fa araky gny fitsara ataonareo ro hitsara anareo, araky gny refy ataonareo ro handrefesa anareo.3Magnino iha mijery gny ravinakata eo amin'gny mason'gny rahalahinao kanefa gny eo amin'gny handrinao tsy hitanao? 4Sady manao akory gny hisafagnanao amin'gny rahalahinao hoe: ao fa halaiko gny ravin'akata eo amin'gny masonao, 5kanefa io gny handry eo amn'gny masonao, fa amin'izay vo hitanao soa gny hangalako gny ravin'akata eo amin'gny mason'gny rahalahinao.6Ka omea gny alika gny masina sady ka atoraky gny amin'gny kisoa gny vatosoanareo, tsony hagnitraky i ka hifototry, hamiravra anareo.7Mangataha fa homea nareo, mila fa hahita nareo, mandondogna fa hosokafa nareo. 8Fa izay mangataky ro mahazo voho zay mila ro mahita sady zay mandondona ro hosokafa. 9Fa ia aminareo laha angatahin'gny anaky mofo ka hagnome azy vato? 10Na koa angatahany fia ka hagnome azy bibilava?11Ka ndra raty aza nareo, mahaiza magnome raha soa ho an'gny anakinareo, voamaiky va Babanareo zay agny andagnitry ro hagnome raha soa hoan'gizay mangataky aminy? 12ka noho zay ndra ino ndra ino ro tianareo hataon'olo aminareo, ataovo aminy koa manahaky an'izay, ka zay ro lalana voho mpaminany.13Milira amin'gny varavara toy nareo, fa bevata gny varavara voho malalaky gny lala zay mandea magnagny amin'gny fahavereza ka maro gny militry agny.14 Fa etoy gny varavara, sady mahifitry gny lala magnagny amin'gny fiaigna ka vitsy ro mahita azy.15Mitandrema nareo, tsony ho voafitaky gny mpaminany sandoky zay mandalo aminareo amin'gny fisiky gn'ondry kanefa gny ao agnatiny amboa ly ta hamiravira.16 Gny vihiny ro ahaiza nareo azy. Mioty voaloboky amin'gny fatiky va gn'olo ro mahazo aviavy amin'gny songosongo?17 Manahaky an'zay iaby gny hazo , gny hazo soa mamoa vihiny soa fa gny hazo raty mamoa vihiny raty.18Gny hazo soa tsy mety mamoy vihiny raty sady gny hazo raty tsy mety mamoy vihiny soa. 19Gny hazo iaby zay tsy mamoy vihiny soa ro tapahy voho atao agny amin'gny motso. 20Fa gny vihiny ro ahaizanareo azy.21Tsy izay misafa amiko hoe: Tompoko, Tompoko ro hilitry amin'gny fanjaka gny lagnitry, fa zay manao gny sitrapon'gny Babako zay agny an-dagnitry.22 Maro gny hisafa amiko amin'gny andro zay hoe: Tompoko Tompoko, tsy fa naminany tamin'gny agnaranao va zahay? Tsy fa namoaky devoly tamin'gny agnaranao va zahay? Sady tsy fa nanao asa bevata maro tamin'gny agnaranao va zahay? 23Hosafagniko aminy marina hoe: Tsy mahay anareo zaho ela zay; miala amiko nareo tsy mpanao gny marina.24Ndra ia ndre ia mahakasa gny safako ka magnaraky azy, ka hohariko amin'gny johary manan-tsay I, zay nagnory gny tragnony teo agnabon'gny vatolampy. 25Lafa latraky ora ka nisy riaky bevata sady nirivodrifotry gny tsioky ka namango an'gny tragno io kanefa tsy nilavo ntragno igny satria fa naory tagnabon'gny vatolampy.26Fa izay mahakasa an'ireosakafo reo kanefa tsy magnaraky azy, ka hohariko amin'gny johary adala zay nagnory gny tragnony agnabon'gny fasiky. 27Lafa latrak'ora ka nisy riaky bevata sady tsioky mare ka namango gny tragnony, ka lavo i sady loza gny faharavany.28Vatany vo vitan'i Jesosy zay safagnin'zay, ka tseriky gny fokonolo tamin'gny fampianarany, 29satria nampianatry andreo sahala gny manam-pahefa I, fa tsy manahaky gny mpanora-dala tamindreo.
Chapter 8

1Lafa I nizotro bakegny an-tendrom-bohitry ka nisy fokonolo maro nagnaraky azy. 2Ka io nisy olo boka raiky nagnariniky azy, nandohaliky teo alohany sady nisafa hoe: Tompo, laha mety iha mba afaky magnalio ahy. 3Namoaky gny tagnany i Jesosy ka nikasiky azy sady nsafa aminy hoe:" Mety zaho, malio iha. ka nalio tamin'gny habokany niaraky tamin'zay I.4Ka hoy Jesosy taminy:" Tandremo tsy hisafa ndra amin'ia ndre amin'ia, fa mandehana iha, misehoa amin'gny mpisoro sady magnandesa gny fagnatitryt zay nandrindran'i Mosesy ho vavolombelo amin'ireo.5Vatany vo niavy tao Kapernaomy i Jesosy, nisy kapiteny raiky nagnariniky azy 6nitaray taminy hoe:" Tompo, gny mpanompolahiko mandry an-tragno ao, malemy sady mijaly mare. 7Hoy Jesosy taminy:" Ho avy agny zaho hagnajanga azy."8Hoy koa navalin'gny kapiteny azy:" Tompo tsy mendriky hiliranao an-tragnokoao , fa misafagna avao fa ho janga gny mpanompolahiko. 9Fa zaho koa mba johary mana gny sefoko avao sady mana miaramila, ka laha hoy zaho amin'gny raiky:" Mandehana, laha mandeha I. laha amin'gny raiky koa:"Avia laha avy I; voho amin'gny mpanompolahiko:" ataovo ty:"laha manao I zay. 10Vatany nahakasa an'zay Jesosy laha nitseriky sady nisafa hoe:" kasagniko aminareo marina tokoa fa mbo tsy nahita finoa bevata manahaky an'zao teo amin'Israely zaho.11Sady volagniko aminareo, fa maro gny hoavy bakagny antignana voho bakagny andrefa ro ho avy hifitaky hiaraky ihina amin'i Abrahama voho Isaka agny amin'gny fanjakany lagnitry. 12Fa agny anakin'gny fanjaka koa haria agny amin'gny maiky agny, agny ro hisy gny fitomagnia voho gny fikitroha-nify. 13Sady Jesosy nisafa tamin'gny kapiteny hoe: Mandehana, miavia aminao araky gny ninoanao. Tamin'zay ro nahajanga gny mpanompony.14Lafa Jesosy nilitry tao an-tragnon'i Petera, nahita gny rafozambavin'i Petera natory tao, vaon'gny tazo. 15Nokasihiny gny tagnany marary ka niala tamin'gny tazo, ka niongaky gny ampela voho nanompo azy .16Laha sofotry gn'andro, nandesin'olo tagny amn'gny demoniaka maro, ka gny safany avao ro nandroahany gny fagnahy raty, ka gny narary iaby nojangainy iaby. 17Mba hahatanteraky gny raha nampisafagny an'Isaia mpaminany hoe:" I ro nangalaky gny rofin-tsika voho nandaygny aretin-tsika.18Lafa Jesosy, vatany vo nahita gny fokon'olo maro nagnodidy azy, ka nagnome baiko gny handehana ho egny ampita gny omy. 19Nagnariniky azy gny mpanora-dala raiky ka nivola hoe:" Mpampianatry o, hagnaraky anao zaho, na aia na aia ro handehananao. 20Kanefa hoy Jesosy :" gny amboaly manan-davaky , gny voro mility mana kizony, fa gny gnanak'olo tsy mana hipetrahan'gny lohany.21Sady nisy hafa koa tamin'ireo mpianatry nisafa taminy hoe:" Tompo, engao tse aloha zaho handeha handefa gny Babako."22 Fa hoy Jesosy taminy hoe:" Magnaraha ahy: sady engao gny maty handevy gny maty ao aminy.23Lafa niondra an-daka nagnaraky azy gny mpianany. 24Ka nisy tsioky mare tegny an-drano ka dobo gny laka kanefa I natory.25 Nofohazin'ireo mpianany I ka nivola hoe:" Tompo o, vonjeo fa maty zahay!26Ka hoy I tamindreo: "ino moa ro mampavozo anareo ry kely finoa? Ka niongaky I sady nivolagniny mare gny tsioky voho gny riaky ka lasa soa gny andro.27 Hatsrera gn'olo ka nivola hoe: Johary manao akorty lehy toy, fa ndre gny tsioky voho gny riaky aza magnaraky gny safany.28Lafa reo niavy tegny ampita amin'gny tanin'gny Gadarenesa, nifanojo taminy gny Demoniaks roa lahy, baka an-dolo sady masiaky ka tsy nisy olo nasaky nandalo tamin'gny lala io. 29Mitoretoreo sady manao hoe:" Mpifagnino moa zahay voho iha, ry gnanakin-Dragnahary ? Avy ety iha hampijaly anay alohan'gny fotoa?30Ka nisy koso maro, gny sasany nihina tegny alavidavitry andreo tegny. 31Nifona tamin'i Jesosy reo demonia ka nivola hoe:" laha aboakinao zahay , ka alefaso magnagny amin'gny koso reo.32 Ka hoy I taminy:" Mandhana! lasa reo ka nifindra tamin'gny koso regny, ka lasa vnivezivezy koso regny laha niavy andriaky egny rozy iaby ka maty tagnatin'gny rano tagny.33Ka nilay gny mpiamby koso voho nengany an-tana ka nikasa gny raha iaby tamin'ireo demoniaky. 34Reo iaby gn'olo teo antana nitsena an'i Jesosy, kanefa vatany nahajilo azy reo, laha nifona tamin'i Jesosy mba hialany amin'gny faratiany.
Chapter 9

1Niondra laka I voho nihampita ka niavy tao an-tananany.2 Nisy johary raiky malemy, nandry tamin'gny fandria ka nandesin'olo teo aminy. Lafa Jesosy nahita gny finoan-dreo,nisafa taminy hoe:" Matokisa gnanaky fa voavototry gny helokinao3. Teo gny mpanora-dala sasany nisafa hoe:" Misafa raty johary ty.4 Fa Jesosy nahay gny eritreritriny ka nivolahoe:" Nahoa nareo ro mieritreritry raty am-ponareo? 5Fa ino moa ro moramora, gny misafa hoe:" voavototry gny helokinao sa gny misafa hoe:" Miondrona ka mandehana! 6Fa mba ho hainareo fa gnanakin'olo mana fahefa etoy agnabon'gny tany hamatotry gny heloky, ka hoy I tamin'gny malemy:" Miondrogna voho lanjao gny fijalianao ka molia an-tragnonao.7Niongaky I ka noly tagny an-tragnony.8 Niteraky nazovo gny fokonolo vatany nahita an'zay ka nagnome gn'olo gny fahefa. 9Lafa Jesosy niala teo nifankahita tamin'gny johary raiky atao hoe Matio, nifitaky teo am-pamorian-ketra ka hoy I taminy :" andao magnaraha ahy, sady niongaky Matio voho nagnaraky azy.10Lafa Jesosy nifitaky sady nihinan-kany tao antragnon'i Matio, ka nisy mpanota voho mpangoro hetra maro niavy tao koa sady niaraky nifitaky tamin'i Jesosy miaraky amin'gny mpianany. 11Vatany vo nahita an'zay gny fariseo, nisafa tamin'gny mpianatrin'i Jesosy hoe:" fa nanao akory koa gny mpampianatry nareo ro miaraky mihina amin'gny mpangoro hetra voho gny mpanota?"12Vatany vo nahakasa an'izay Jesosy, ka nisafa hoe:" tsy gny salama ro mila mpitsabo fa gny marary. 13Mandehana sady mianar gny hevitry gny safa hoe:" Famindram-po ro sitrako fa tsy fagnatitry alatsa-dra" fa tsy avy hikaiky gny marina zaho fa gny mpanota.14Nandeha tagny amin'i Jesosy gny mpianatrin'i Jaona ka nisafa hoe:" Magnino zahay voho gny fariseo ro mifaly hany matetiky, fa gny mpianatrinao koa tsy mba mifaly? 15Hoy Jesosy taminy:" Moa va mahay misaona gny longon'gny mpampiakatry laha mbo ao amin'gny mpampiakatry? Fa ho avy gny andro zay hangala gny mpampiakatry hiala aminy, ka amin'zay vo hifaly hany rozy.16tsy misy olo magnampy siky momoky amin'gny siky tsy voasasa, fa ndra gny vaovao zay natany aza handrovitry gny akanjo ka voamaiky hiitatry gny tataky.17Voho tsy misy koa gny manisy divay vaovao atao agnaty siny angozy fa mamoaky , fa laha zay, ho driatry gny siny angozy ka ho tompa gny divay sady ho simba gny siny angozy. Fa gny siny vaovao ro aian'olo divay vaovao, amn'zay miaraky soa-jary reo roa.18Laha mbo nisafa tamindreo I ka io misy mpanapaky raiky nandohaliky teo alohany sady nisafa hoe:" Maty vo betibety io gny anako ampela, fa andao lehy mba mametraha tagna aminy mba ho velo I. 19Niongaky sady nagnaraky azy Jesosy voho gny mpianany.20Nisy ampela raiky zay narary nandeha lio nandritry roambiny folo tao, nagnaraky baka afaran'i Jesosy tao sady nikasiky gny lamban'i Jesosy I. 21Fa hoy gny agnatiny fony hoe:" Ndre gny akanjony avao aza ro voakasiko fa hajanga ahy. 22Nitoliky Jesosy sady nahia azy ka nivola hoe:" Matokia gny ganako ampela fa gny finoanao ro mahajanga anao. ka janga niaraky tamin'zay rampela.23Lafa Jesosy nilitry tao antragnony mpanapaky ka nahita gny mpitsoky sody voho gny fokonolo nitabataba.24 Sady nivola hoe:" Miala ato nareo, fa tsy gnanaky ampela io a matory. Neezan'olo I.25Lafa niala tao iaby gn'olo ka nilitry amin'zay Jesosy sady nandramby gny tagnan'ampela, ka nifoha I. 26Gny lazan'zay moa laha niparitaky mbaming'gny tany iaby magnodidy.27Lafa Jesosy niala teo, nisy Jiky roa lahy nagnaraky azy sady nikaiky azy hoe:" Mamindra fo aminay gny gnanaky ny Davida o. 28Lafa i ro nilitra t'antragno ka nagnariniky azy gny jamba sady hoy Jesosy tamindreo:" Mino va nareo fa mahay mahajanga gny masonareo zaho? Hoy reo taminy: Ee, Tompo."29ka nokasihiny gny masondreo ka nivola hoe:" Miavia aminareo araky gny finoanareo.30 Ka nahita tamin'zay gny masondreo, Jesosoy namehitry andreo mare hoe:" Tandremo mba tsy ho hain'olo raha zao.31 Kanefa vatany niala teo rozy roa lahy, nagnamparitaky gny lazany magnodidy gny tany iaby.32Lafa rosoreo, nisy johary moa raiky demoniaka nandesin'olo teo amin'i Jesosy.33 Lafa tafaboaky gny demoniany ka nahay nivola i sady tseriky gny fokonolo nivola hoe:" mbo tsy nisy ndraiky gny raha manahaky an'zao tamin'gnolon'Israely. 34Fa hoy koa gny fariseo hoe :" gny lohan'gny demonia ro nandroahan'gny demonia.35Jesosy nandeha nitety tany voho gny vohitry. Nampianatry tagny synagoga ka nitory gny filazantsaran'gny fanjaka sy nagnajanga gny arety maro. 36Vo nahita gny fokon'olo maro I, ka ontra gny fony, nalahelo satria sahala gny nahafoy ondry tsisy mpiamby.37Hoy I tamin'gnympianany:"Maro gny vokatry fa gny mpiasa ro kelikely.38 Ka mangataky amin'gny tompon'gny vokatry mba hampandehaniny mpiasa hamory gny vokatry.
Chapter 10

1Nikaiky gny mpianany roa ambin'folo lahy Jesosy ka nagnome andreo gny fahefa handroaky fagnahy maloto voho hagnajanga gny arety iaby.2Ndreto iaby gny agnaran'gny Apostoly roa amby folo lahy. Gny volaohany, i Simona, zay atao hoe: Petera, i Andrea ralahiny, i Jakoba gnanakin'i Zebedio, i Jaona rahalahiny, 3i Filipo voho i Bartolomeo, i Tomasy voho i Matio mpamory hetra, i Jakoba gnanaky i Alfeo, 4Tadeo, i Simona kananena voho i Jodasy iskariota, gny raiky mamadiky azy.5Nirahin'i Jesosy reo voho nahafarany hoe: ka mandalo amin'gny lalan'gny Jentilisa sady ka militry amin'gny tanin'gny samaritana.6 Fa aleo mandeha magnagny amin'gny ondry tsobo amin'gny taranakin'i Israely. 7Lafa mandea nareo, mitoria hoe: fa marikitry gny fanjakan'gy lagnitry.8Jangao gny marary, velomo gny maty, diovo gny boka, roaho gny demonia, fa mahazo tsy misy takalony nareo ka magnomeza tsy misy takalony koa. 9Ka mila volamena n, volafoty na varana, ho ao agnatin'ny fehikibonareo10 na kitapon-batsy ho agny amin'zay handehananareo, ndra akanjo roa ndra kapa na tehy, fa gny mpiasa tokony hahazo zay ilainy.11Amin'zay tany na vohitry hiliranareo, ataovo hay gny olo tokony hipetraha ao mandram-pialanareo. 12Lafa nareo antragno, manao nahoa amin'gnolo ao , 13ka laha olo soa gny olo ao antragno, mba ho ao amin'gny fiadagna tononinaeo, fa laha tsy olo soa koa i, mba himpoly aminareo gny fiadagna voatognonareo.14Hoan'zay tsy mampilitry anareo tsy mijanjy gny safanareo, miala amin'zay tragno na tana ze ahitanao gny vovoky amin'gny tombokinareo. 15Safagniko marina aminareo tokoa fa ho moramoara gny ho amin'gny tany sodoma voho gomora amin'gny andro fitsara noho gny ho amin'zay tana zay.16Magniraky anareo zaho manahaky gny ondry eo agnivon'amboa ly, ka maihira manahaky gny bibilava voho gny voromailala.17 Sady mitandrema nareo gny amin'gnolo, fa ho hatorony ho amin'gny sinedriona voho havangoiny ao amin'gny synagoga nareo.18 Handesiny ho eo agnatrehany mpanapaky voho nareo noho gny baka amiko, ho vavolombelo aminy voho amin'gny jentilisa.19Lafa magnatoro anareo I, ka mazovo gny amin'zay fomba hisafagnanareo, ndra gny amin'zay raha hovolagninareo. 20Fa tsy nareo ro misafa fa gny babanareo ro misafa ao agnatinareo.21Gny rahalahy hanolotry gny rahalahiny ho maty, voho gny baba hanolotry gnanakiny ka gny gnanaky ro hiongaky hanohitry gny Ray amana-dreniny ka hahafaty azy. 22Tsy ho tian'olo iaby nareo noho gny agnarandreo, fa zay mahaligny zisiky amin'gny farany ro hovonjea. 23Laha nareo ro enjehin'olo amin'gny tana raiky, mandosira ho amin'gny tana hafa, fa volagniko aminareo marina tokoa, tsy hadomo gny tanin'Israely mandram-piavianignolo.24Gny mpianatry tsy tokony hihoatry noho gny mpampianatry na gny mpanompo noho gny tompony.25 Fa ampy gny mpianatry laha mahavy mpanompo laha mahavy manahaky gny mpanompony. Laha gny tompon-tragno ro nivolagny hoe Belzeboba, tsy vomaiky va gny longony?26ka amin'zay ka mavozo azy nareo ka tsy misy havony zay tsy hiseho, na takognany zay tsy ho hay. 27Zay safagniko aminareo ao amin'gny mahiky, ambarao eo amin'gny mazava voho zay ren'gny sofinareo, torio egny anampon-tragno.28Ka mavozo amin'gny raha mamono gny vata kanefa tsy mahafaty gny fagnahy, fa aleo mavozo zay mahay mahavery gny fagnahy voho gny vata agny amin'gny afobe.29 Tsy asariona raiky avao va gny vangan'gny tsintsy roa? nefa tsy misy ndra raiky amin'iregny aza ho latraky amin'gny tany, laha tsy babanareo manenga azy. 30Fa ndra gny volondoha nareo aza voasiaky iaby. 31Ka mavozo fa mihoatry gny tsintsina maro nareo32Na ia na ia gny olo hanaiky ahy eo agnatrehan'olo fa ho hekeko koa I eo agnatrehan'gny babako zay agny an-dagnitry.33 Fa ia na ia handa ahy eo agnatrehan'olo fa hovolagniko koa I eo agnatrehan'gny babako zay agny an-dagnitry.34Ka ataonareo hoavy handay fiadagna ety an-tany zaho, tsy avy handay fiadagna zaho fa fibara. 35Fa niavy zaho hampifandrafy olo amin'gny babany, agny anak'ampelany amin'gy neniny voho gny vinantovaviny amin'gny rafozam-baviny. 36Sady gny longony avao ro ho fahavalony37Zay tia gny babany na Reniny mihoatry gny fitiavany ahy, tsy mpianatriko mihintsy koa gnzay tia gnanaky lahy na gny anak'ampela mihoatry noho fitiavany, tsy ho mpianatriko mihintsy. 38Zay tsy manday gny hazo fijaliany ka tsy magnaraky ahy tsy ho mpianatriko mihintsy. 39Zay mamonjy gnainy amiko ro hahavonjy azy.40Zay nandramby anareo ro mandramby ahy, voho zay mandramby ahy koa ro mandramby an'izay nagnirako ahy.41 Izay mandramby mpaminany, satria mpaminanay I, ro handramby gny valim-pitian'gny mpaminany voho mandramby olo marina, satria olo marina I, ka handramby gny valim-pitian'olo marina.42Ia na ia ro magnome rano manintsy ndra hatriky gny kaoky aza hanomin'gny raiky amin'ireo mandiniky ireo satria mpianatry I, volagniko aminareo marina tokoa fa tsy ho tsobo gny valim-pitiany.
Chapter 11

1Lafa baka nampianatry reo mpianatriny roa ambiny folo Jesosy, ka nandeha I hampinatry sy hitory agny amy gny tanan-dreo. 2Sady lafa regny Jaona tan-gaja gny momba reo asan'i Kristy, ka nandefa hafatry tamy gny alala reo mpianany I 3ka nivola Azy hoe: "Anao va raiky zay ho avy, sa tokony hila hafa zahay?"4Jesosy namaly sady nivola azy reo hoe: "Mandehana sady volano amin'i Jaona zay hitanareo sy renareo." 5Mahazo fahita reo jamba, mandeha reo olo malemy, liovy reo boka, mandre ndraiky reo olo mareny, antsaga ho velo reo olo maty, sady anambara reo vaovao mahafaly ny mahantra. 6Sambatry zay tsy misitry noho amiko."7Laha nandeha tamy lala tegny johary reo, ka nanomboky nivola ny momba an'i Jaona tamy reo vahoaky Jesosy hoe: "Hijery ino ro niboahanareo baka an'efitry volotara tsofin'gny tsioky? 8Fe hijery ino ro niboahanareo johary manao fisiky lafo vily? Henteo, reo zay manao fisiky lafo vily ro mipetraky an-trano ndreo mpanjaka.9Ka nijery ino ro niboahanareo mpaminany? Eka, mivola aminareo Aho, sady mihoatry lavitry noho gny mpaminany. 10I gnazy voasoratry hoe: 'Henteo, maniraky gny irako hialoha gny sorakinareo Aho, zay hanoma gny lalanareo mialoha anareo'11Volaniko marina aminareo, fa amy nareo zay nateraky ampela, tsisy bevata noho Jaona mpanao Batisa. Gnefa gny olo tsy manan-danja mare aminareo amy gny fanjaka gny lanitry ro bevata noho I. 12 Gnanomboky tamy gny andron'i Jaona mpanao Batisa ka hatram'izao, miaritry amy gny heriliha gny fanjaka gny lanitry, sady reo olo mahery loha ro mangala azy an-keriny.13Fa reo mpaminany iaby sy gny lily ro fa naminany hatramin'i Jaona; 14sady laha to nareo gny hanenky izay, I ro Elia gnazy ho avy. 15Zay manan-tsofy handesy mijandry, aoka I hijandry.16Amy ino ro tokony hampitahako ity? Izay manahaky gny zaza mihisa a bazary egny,zay mipetraky sy mifampiakaiky 17ka mivola hoe: 'Nitsoky sodina ho anareo zahay,fa tsy nisindraky nareo. Gnanao hira fisaona zahay, fa tsy nitany nareo.'18Fa Jaona tsy avy hihina mofo na hino divay, ka hoy reo hoe: "Mana demonia I." 19Gny Gnagnak'Olona ro avy ihina sy hino ka hoy reo hoe: "Jereo, johary tia hany sy mpimamo I, gnama ndreo mpamory hetra voho reo mpanota!" Fa gny fahendre ro voamariny tamy reo asany."20Bakeo Jesosy nanomboky nivola mare ireo tana zay nanaovany gny asany mahatseriky, satria tsy nibebaky reo. 21" Loza ho anareo, Korazina! Loza ho anareo, ry Betsaida! Laha natao tany Tyra voho Sidona reo asa mahagaga zay natao teto aminareo, fa ela no nibebaky tamy gny siky fisaona sy lavenoky reo. 22Nefa ho moramora noho agny gny Tyra voho Sidona amy gny andro gny fitsara mihoatry noho gny gnanareo.23Gnareo, ry Kapernaomy, mihevitry va nareo fa hasondrotry an-danitry agny? Tsia, ho andesy hijotso agny amy gny helo gnareo. Satria laha tany Sodoma ro natao reo asa mahagaga zay natao teto aminareo, ka mbo ho tavela zay madraky henany. 24Nefa mivola aminareo Aho fa ho mora mare ho agny tanin'i Sodoma gny andro gny fitsara noho gny ho aminareo."25Tamy zay fotoa zay Jesosy nivola hoe: "Mandregy Anao Aho, Baba, Tompo gny lanitry voho gny tany, satria Anao ro namony reo raha reo tamy gny hendry voho gny mahay, sady nanambara agny reo tamy reo zay tsy mahay, manahaky reo zaza kely. 26Eka, Baba, satria zay ro nahavariaky ta masonao. 27Gny raha iaby nankiny tamiko ro avy amy gny Babako; sady tsy misy mahay gny Agnaky afa-tsy gny Baba sady tsy misy mahay gny Baba afa-tsy gny Agnanky, sy zay filia gny Agnaky hanambara Azy.28Mandehana amiko aty, nareo iaby miasa sy manday mavesatry, omeko fitsahara nareo. 29Andeso gny ziogako sady mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena am-po Aho, sady hahita fitsahara ho agny reo fanahinareo nareo. 30Fa mora gny ziogako sady maiva gny entako."
Chapter 12

1Tamign'izay andro zay i Jesosy nandeha namakivaky gny tanimbary tamign'andro Sabata. Nimosary gny mpianatriny ka nanomboky nioty vary voho nihinareo. 2Vatany vo hitany Fariseo raha zay, hoy reo tamin 'i Jesosy hoe: "Henteo gny mpianatrinao fa tsy magnaraky gny lalana gn'andro sabata."3Fa Jesosy namaly gny safandreo hoe: Mbo tsy novakinareo mihitsy va gny raha nataon'i Davida, tamigny I nimosary, voho gny lehilahy iabiaby niaraky taminy? 4Nilitry tao antragnon'Andrianagnahary I voho nihina gny mofon'ny fagnatreha, zay tsy araky gny lalana gny nihinanana azy voho reo zay niaraky taminy, kanefa ara-dalana hoan'ny lohan'gny mpisoro raiky avao.5Mbo tsy novakinareo va gny lalana, fa amign'ny sabata reo mpisoro ao antempoly dia manota gny Sabata kanefa tsy voan-tsiny? 6Fe zao gny raha safagniko aminareo, fa eto gny raiky bevata noho gny tempoly.7Laha hainareo gny hevitry gny hoe: 'Famindram-po ro iriko fa tsy gny soro,' tsy nagnameloky gny tsy manan-tsiny nareo. 8 Fa gny Gnanak'Olo ro tompon'ny Sabata."9Lafa bakeo Jesosy niala tao sady nilitry tao amign'ny synagoga ndreo.10 Nisy lehilahy zay malemy tagna teo. Nagnontany an'i Jesosy gny Fariseo, nanao hoe: "Ara-dalana va gny fagnanjanga olo amign'ny Sabata?" mba hagnasara-ndreo Azy amign'ny fahota.11Hoy Jesosy tamindreo hoe: Olo ia eo aminareo, ia, laha ondry raiky avao ro anagnany, ka laha latraky agnaty lavaky laliky gny ondry amign'andro Sabata, ro tsy hanambotry azy voho hampiakatry azy? 12Tsy manan-danja mihoatry lavitry, va gny olo noho gny ondry! ka noho izay, ara-dalana gny manao soa amign'andro Sabata."13Hoy Jesosy tamign'ny lehilahy hoe: "Ahinjiro gny tagnanao." Ka nahinjiny bakeo nimpoly gny fahasalamany, manahaky gny tagnany ilany. 14Niboaky gny fariseo reo fa nitetiky gny hamono Azy. Nila hevitry amign'ny fomba hamonoa androzy reo.15Lafa i Jesosy nahay an raha zay, niala teo I. Olo maro ro nagnaraky Azy, voho nojangany iaby. 16Noraragnany reo mba tsy hivola amin'olo hafa, 17mba hahatanteraky zay fa nambara tamign'ny Isaia mpaminany, manao hoe:18" Jereo, gny mpanompoko zay fa nofiliko; ry ilay malalako, zay sitrakin'ny fanahiko mare didiky. Hapetrako ao amign'ny fanahiko, sady hanambara gny fitsarà amign'ny Jentilisa I.19Tsy hifamaly na hikiakiaky I; sady tsy hisy olo hare gny feony egny an-dala. 20Tsy hanapaky gny volotara torotoro I; tsy hamono lahin-jiro magnentsoky, mandra-panaovany gny rariny ho fandresea, 21sady amign'ny anarany ro hanagnan'ireo jentilisa fanantena."22Bakeo nisy olo jamba voho moa, nipetrahan'ny demonia, ka nandesy teo amin'i Jesosy. Nojanganiny reo, ka nahay nisafa gny moa voho nahita koa gny jamba. 23Tseriky gny fokonolo voho nisafa hoe: "Mety ho lehilahy io va ro anakin'i Davida?"24Lafa nahakasa gny raha nahatseriky gny fokonolo koa reo Fariseo, ka hoy reo hoe: "Io lehilahy io tsy raha mamoaky demonia laha tsy amign'ny alalan'i Belzeboba, sefon' ny demonia." 25Kanefa hain'i Jesosy gny eritreritrin-dreo ka nivolagnany andreo hoe: "Gny fanjaka mialy an-tragno dia tsy haharitry, sady gny tany na trano mialy an-trano koa ho rava.26Laha manaboaky satana gny Satana, dia mialy an- trano I zay. Manao akory zany gny hijoroany fanjakany? 27Laha manaboaky demonia amin'alalan'i Belzeboba zaho, ka amin'gny alalan'ia koa ro androahan'ny anakinareo azy reo? Noho zay antony zay dia ho mpitsaranao reo.28Kanefa laha mamoaky an ireo demonia amin'gny alalan'ny Fanahin'Andrianagnahary Zaho, dia fa tokony hoavy aminareo gny fanajakany Andrianagnahary. 29Amin' ny fomba manao akory ro afahan 'olo militry ao an-tragnon' ny lehilahy fatatry sady mangalaky gny fanagnany laha tsy hofehezy aloha gny lehilahy fatatry? Bakeo amizay mangalaky gny fanagnany ao antragnony. 30Zay tsy momba Ahy ro manohitsy ahy, sady zay tsy miharo miaraky Amiko ro miparitaky.31Noho izay, volagniko aminareo fa ho votora heloky gny olo amign'ny fahota voho gny fisafagna raty iabiaby, fa gny fisafagna raty amin' ny Fanahy Masina ro tsy hahazo famotora-heloky. 32Na ia na ia ro mikasa manohitry Gnanak'Olo, ka ahazo famotora-heloky I. Fa na ia na ia ro manao safa manohitry gny Fanahy Masina, tsy hahazo famotora-heloky na amin'izao fiaina henaniky zao na amin'ny ho avy.33Ataovo soa gny hazo amzay mamoa soa, na ataovo raty gny hazo amzay mamoa raty, fa hay amign'ny vihiny gny hazo. 34Nareo taranaky ny menarana, satria raty fanahy nareo, manao akory gny afahanareo mivola raha soa? Fa baka amign'ny habegn'ny ao am-po ro ivolagnan'ny vavany. 35Gny olo soa baka amigny'ny harena soa ao am-pony ka mamokatry zay soa, fa gny olo raty baka amign'ny harena raty ao am-pony ro mamokatry zay raty.36Volagniko aminareo fa amy adron'ny fitsara, ho agnotania amign'ny safa tsy voahevitry novolagniny iaby gny olo. 37Fa gny safanao ro hagnamarina anao voho gny safanao koa ro hagnelofa anareo."38Bakeo nisy mpanora-dalàna voho gny Fariseo sasantsasany namaly an'i Jesosy sady nisafa hoe: "Ry mpampianatry, magniry gny ahita famantara baka aminao zahay." 39 Fa namaly i Jesosy sady nisafa hoe: "Misy taranaky raty fagnahy voho gny mpijangajanga mila famantara. Kanefa tsy misy amantara omea azy, afa-tsy gny famantaran' i Jaona mpaminany. 40Fa manahaky an'i Jonah zay telo andro voho telo matognaly tao agnaty kibon'ny fia bevata, hanahaky an'zay koa gny hipetrahan'ny gny anak'olo telo andro voho telo matognaly ao agnatin'ny tany.41Gny olon'i Ninive hiongaky ka ho eo amign'ny fitsara miaraky amign'ity taranaky ity sady hagnameloky anzay. Fa nifona reo tamign'ny torintenin'ny Jona, voho, misy olo bevata noho i Jona eto.42Gny mpanjaka Ampela gny atimo ro hiara hiongaky amign'ireo lehilahin'ity taranaky ity amign'andron'ny fitsara voho hagnameloky an'zay. Avy baka agny amign'ny farany gny tany I mba handre gny fahendren' i Solomona, sady misy olo bevata noho Solomona eto.43Lafa niala tao amign'ny lehilahy raiky gny fanahy raty, mandalo tamigny tany karakaina I voho mila fitsaharana, kanefa tsy mahita an'zay. 44Izay ro mivola hoe: 'Himpoly agny amig'ny trano zay nihaviako zaho.' Lafa niavy ka nahita fa voafafa gny trano sady nilamy. 45Bakeo nandeha zay sady nanday fanahy raty fito niaraky taminy zay raty mihoatry azy, ka nilitry sady nipetraky tao reo iaby. Bakeo niharaty noho gny tamign'ny voalohany gny niafaran'ny zay lehilahy zay. Ka hanahaky an'zay koa gny amign'ity taranaky raty ity."46Laha mbo nisafa tamign'ireo fokonolo Jesosy, gny Reniny voho gny rahalahiny nila te-hisafa agnaminy. 47Nisy olo raiky nivola taminy hoe: "Jereo gny Reninao voho gny rahalahinao mijoro ao amonto fa te-hisafa aminao."48Fa namaly Jesosy sady nisafa tamign'olo nisafa azy igny nanao hoe: "Ia ro Reniko sady ia koa ro rahalahiko?" 49Bakeo nitoliky tamign'ireo mpianatriny I, sady nivola hoe: "Jereo fa indreto gny Reniko voho reo gny rahalahiko! 50Fa zay manao gny sitrapon'ny Raiko zay agny an-danitry, fa zay olo zay ro rahalahiko voho anabaviko, sady reniko."
Chapter 13

1Tamin' zay andro zay Jesosy nandeha niboaky gny trano voho tegny amorondriaky. 2Nisy fokonolo maro nivorivory nagnodidy azy, bakeo nilitry tagnaty sambokely I sady nipetraky tao, fa fokonolo nitranga teo antsisin-driaky.3Jesosy nivola raha maro tamindreo tamin'ny alalan'ny fagnohara. Hoy I hoe: "Nisy mpamboly raiky nandeha handatsaky vihy. 4Nisy vihy sasany latraky tegny an-dala ka niavy gny voro nitimoky. 5Gny vihy sasany koa nilatraky tegny amin'ny vato, zay tsy nahazoan' ireo nofon-tany soa. ka vatany nitiry regny satria tsy laliky gny tany. 6Fa laha vo niboaky gny masoandro, nimaiky reo satria tsy nisy fakany, sady nalemy.7Nilatraky tegny amin' ny fatiky gny vihy sasany. Nitiry reo fatiky voho nangeja andreo. 8Gny vihy nilatraky tamin'ny tany soa to namihy vihy, gny sasany niavy zato heny, gny sasany enim-polo voho telo-polo." 9Zay misy sofina, aoka mba hijanjy."10Niavy gny mpianatry voho nagnontany an'i Jesosy hoe: "Magnino iha miresaky amin'ny alalan'ny fagnohara amign'ny fokonolo reo?" 11Namaly Jesosy voho nisafa hoe: "Nareo ro nomea tombony hahay gny raha mivony amign'ny fanjakan'ny lanitry, fa gnandreo tsy nomea an'zay. 12Satria ndra ia ndra ia ro mana, ho maro koa aza ro homea azy. Fa ndra ia ndra ia ro tsy mana, na zay ananany aza hosintomy aminy koa.13Zay ro antony hisafagnako amindreo amign'ny alalan'ny fagnohara: Ndra mijery aza reo, tsy raha mahita; ndra mijanjy koa aza reo, tsy raha maharé na mahazo safa. 14Amindreo gny faminanian'Isaia ro tanteraky, zay mivola hoe: 'Lafa mijanjy dia haharé, kanefa tsy ho azonareo mihitsy; Lafa mijery nareo mety hahita, fa tsy hahatakatry.15Fa nandrary donto gny fon'ny ireto fokonolo, voho tsy mijanjy sady ahilindreo gny masony, mba tsy hahita amign'ny mason-dreo na handre amign'ny sofindreo, na hahazo amign'ny fon-dreo, ka hibebaky ndraiky reo sady hagnanjanga andreo Zaho.'16Fa sambatry gny masonareo, satria mahita; voho gny sofinareo, satria maharé. 17Volagniko aminareo gny marina fa mpaminany voho olo marina marina ro nagniry gny hahita gny raha hitanareo kanefa tsy nahita. Nagniry gny haharé ghy raha niregninareo reo kanefa tsy naharé.18Ka mijanjigna gny fagnohara amign'ny mpamboly raiky zay nandatraky vihy. 19Lafa misy maharé gny safan'ny fanjakana kanefa tsy mahazo an'zay, ka avy gny fagnahy mangalaky zay nailitry tao am-pony. Io gny vihy zay nalatraky tegny amoron-dala.20Gny sasany zay nalatraky tegny amin'ny tany maro vato, regny ro olo zay maharé safa sady sady mandramby azy am-pisinisinia, 21fa tsy mipetraky soa ao agnatiny sady tsy maharitry ela. Lafa avy gny fahoria na fagnenjeha nohon'ny amign'ny safany, ka mahavy azy malaky tafintohina .22Gny sasany nalatraky tegny amign'ny fatiky, io gny olo zay maharé gny safa, fa fiahiahian'zao tontolo zao voho gny fitaky gny harea ro nangeja gny safany, ka mandrary tsy mamoa I. 23Gny nalatraky teo amign'ny tany soa, io gny olo zay maharé safa sady mahazo azy. Mamoa vihinkazo I sady mahavy gny vihiny raiky, hagnome zato heny mihoatry gny nambolea, gny sasany henim-polo, gny sasany avy telo-polo heny."24Nanao fagnohara raiky hafa tamindreo koa Jesosy. Hoy I hoe: "Gny fanjakan'ny lanitry, manahaky lehilahy raiky nandatraky vihy soa tao amign'ny tanimboliny. 25Lafa olo natory igny, niavy gny fahavalony sady nandatraky vihin-tsimparifary tao antanimbary bakeo nandeha. 26Lafa nitiry reo vary reo, namokatry gny vihiny voho niboaky koa reo gny vihin-tsimparifary.27Niavy gny mpanompon'ny tompon-tany ka nisafa taminy hoe: 'Tompoko, tsy nandatraky vihy soa tao ambaibohonao va iha? Nagnino io henaniky mandrary misy vihin-tsimparifary?' 28Hoy I tamindreo hoe: 'Nisy fahavalo nanao an'zay.' Hoy koa reo mpanompony taminy hoe: 'Tianao va laha hombotanay raha reo?'29Gny tompon-tany nisafa hoe: 'Tsia. satria laha hombotanareo tsimparifary reo mety hiombotry miaraky amign'ny fotorany vary reo. 30Engao hiaraky hitiry reo roa hatragny amign'ny fijinjana.Amin'ny fotoam-pijinjana ro hisafa amin'ny mpijinja aho hoe: "Alao treky aloha gny akata raty bakeo fehezo ho maromaro mba hagnadora azy, voho gny vary koa avorio ao amign'ny ntrano mpisy vokatry.31Nanao fagnohara hafa tamindreo koa Jesosy nanao hoe: "Gny fanjakan'ny lanitry manahaky gny voatsinampy zay nalain'ny lehilahy raiky sady nafafiny teo amin'ny sahany. 32Io vihy io tokoa no vihy kely indrindra amign'ny vihy hafa iabiaby. Fa lafa nitiry reo laha nitiry bevata mihoatry raha nitiry hafa ao ambaibony. Lasa hazo bevata mba hifitahan'ireo voron'ny lanitry sady gny tranon-dreo eo amy reo rantsany."33Bakeo Jesosy nanao fagnohara hafa koa. "Gny fanjakan'ny lanitry sahalan'ny lalivay zay nalain'ampela raiky voho nafangaro tamin'ny lafariny intelo famara mandra-piakatry ny koba iabiaby."34Fagnohara ro nagnambaran'i Jesosy gny raha iabiaby tamin'ny fokonolo; sady tsy mivola ndra ino ndra ino tamindreo afa-tsy tamin'ny fagnohara I. 35Zay gny mba hahatanteraky gny raha nambara tamin'ny alalan'ny mpaminany, manao hoe: "Izaho hiloa-bava amin'ny alalan'ny fagnohara. Hagnambara gny raha navony hatrizay nagnorena an izao tontolo izao Zaho."36Bakeo Jesosy nagnenga an'reo fokonolo sady nilitry tao an-tragno. Nagnariniky azy gny mpianatriny sady hisafa hoe: "Azavao aminay gny fagnohara momba gny tsimparifarin'ny Saha." 37Namaly Jesosy hoe: "Gny nandatraky gny vihy soa to Zanak'olo. 38Gny Saha ro zao tontolo izao; fa gny vihy soa to zanaky ny fanjakana. Gny tsimparifary dia reo zanaky ny raty sady, 39gny fahavalo zay nandatraky azy reo ro gny Devoly. Gny fijinjana ro fahataperan'zao tontolo zao sady gny mpijinja reo ro anjely.40Noho zay, haoro antany raiky voho doroa amy motso reo tsimparifary reo, sahalan'ny zay gny raha atao amin'ny fiafaran' izao tontolo izao. 41Hagniraky gny anjelin'gny Gnagnak'Olo sady hoalain-dreo hiala amin' ny fanjakany gny raha iaby mahavy fahota, voho reo zay manao raha raty. 42Hatorakin-dreo ao amin'ny lafaoro bevata misy motro mirehitry reo, zay hisy gny fitomagnia voho fikitroha-nify. 43Bakeo hamiratry toa gny masoandro ao amign'ny fanjakan'ny Rain-drozy reo gny olo marina. Zay manan-tsofy aoky I mba hijanjy.44Gny fanjakan'ny lanitry mitovy amign'ny haregna mivony agny an-tsaha. Nisy Lehilahy nahita an'zay ka navonony. Nandeha am-pisinisinia I, sady namarotry gny fanagnany iabiaby voho nivanga an'io Saha io. 45Sady gny fanjakan'ny lanitry manahaky lehilahy mpivarotry mila voahangy lafo vanga. 46Lafa nahita voahangy raiky zay lafo vanga I, nandeha sady namarotry gny raha iabiaby nananany ka nivily an'zay.47Gny fanjakan'ny lanitry koa mitovy amin'ny harato zay atoraky agny anaty ranosira, bakeo mangoro an'ireo karazan-draha manan'aina iabiaby. 48Lafa hatriky gny harato sintomin-dreo ho eo amoron-driaky. Bakeo mifitaky eo reo sady mangoro zay soa atao agnaty sobika, fa zay tsy ilay ro nariandreo.49Hanahaky an'zay gny fiafaran'izao tontolo izao. Ho avy reo gny anjely ka hagnasaraky gny raty fagnahy amin'ireo marina. 50Hatorakin-dreo ao amign'ny fandoroa bevata sy motro mirehitry reo, zay hisy gny fitomagnia voho fikitroha-nify.51Mazava aminareo va raha iabiaby zay?" Hoy gny mpianatriny taminy: "Eka." 52Bakeo Jesosy nivola tamindreo hoe: "Noho izay gny mpanora-dily iabiaby zay nandrary mpianatry eo amin'ny fanjakan'ny lanitry, manahaky gny lehilahy tompon-trano raiky zay mamoaky gny fa antitry voho gny vaovao ao amin'ny haregnany." 53Lafa vitan'i Jesosy reo fagnohara reo, bakeo niala taminio tany io I.54Bakeo Jesosy nilitry tao amign'ny taniny sady hampiakatry an'ireo fokonolo tao amign'ny synagogan-drozy. Vokatry zay, nitreriky reo sady nivola hoe: "Bakaia nazahoan'ny Lehilahy ity gny fahendreny voho reo raha mahagaga reo? 55Tsy Lehilahy io va gnazy angakin'ny mpandrafitry igny? Tsy Maria va fikahia gny Reniny? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, voho Jodasy va gny rahalahiny? 56Tsy miaraky amintsika va reo anabaviny ireo? Bakaia ro nahazoany an'ireo raha iabiaby reo?"57Tohina nohon'ny amindreo. Fa hoy Jesosy tamindreo hoe: "Tsy misy mpaminany tsy misy hajany laha tsy so amin'ny fireneny voho gny so amign'ny fanjakany." 58Tsy nanao fahagagana maro tao I nohon'ny tsy finoandreo azy.
Chapter 14

1Tamin' izay andro zay, Heroda mpanapaky nandre gny vaovao momba an'i Jesosy. 2Hoy I tamin' ireo mpanompony hoe: "I Jaona mpanao Batisa zay; nitsanga tamin'ny maty I. Noho zay, miasa agnaminy marina ireo hery reo."3Fa Heroda nisambotsy any Jaona, namatotsy azy, sady nandefa azy tangadra noho i Herodiasy, valiny Filipo rahalahiny. 4Zao gnataony Jaona hoe: "Tsy ara-dily ho anao gny mana azy ho valinao." 5Nagniry gny hamono azy Heroda, fe nataotsy any vahoaky reo I, fotony nirambesindreo manahaky any mpaminany I.6Fa lafa niavy gny fitsingereny gny andro nahaterahany Heroda, nitsinjaky tagnivony vahiny nasay gny gnanaky ampelany Herodiasy ka nahafinaritsy any Heroda. 7Ho setriny zay, nampagnategna tamy fianiana I gny hagnome ze hangatahiny na ino na ino.8Lafa baka notoroany neniny mariky, zao gnataony hoe: "Ameo ahy eto ambonini finga gny lhany Jaona mpanao Batisa." 9Nalahelo mare noho gny fangatahany gny mpanjaka, fe noho gny voadiny voho noho reo iaby niaraky nihina taminy ro nagnome baiko i fa tokony ho vita zay.10Nagniraky ka nanapaky lohany Jaona tangadra tao I. 11Bakeo nandesy tamy finga gny lohany sady namea zaza ampela sady nandesiny tamy neniny. 12Bakeo la niavy mpianatsiny regny, nangala any fatiny, ka nandevy azy. Tafaran'izay, nandeha reo sady nagnambara tamy Jesosy.13Lafa nahare anizay Jesosy, niala baka tamy sambokely raiky I handea amy toera raiky mitoka. Lafa nahare anizay vahoaky reo, nagnaraky azy antangotsy tamy tana bevata reo. 14Bakeo Jesosy nandea talohandreo sady nahita any vahoaky maro be regny. Nahaferignay andreo sady nagnajanga gny aretindreo.15Lafa niavy gny hariva, nandeha taminy teo mpianatsiny regny ka nivola hoe: "Ity ro toera tsy misy, fa tampitsy sahady gny andro. Alefao vahoaky reo mba hahafahandreo mandeha amy tana reo sady hivily hany hoandreo."16Jesosy nivola andreo hoe: "Tsy mila mandeha lavitsy reo. Amenareo raha hany reo." 17Zao gnataondreo hoe: "Mofo dimy sy fia roa avao ro anananay." 18Hoy Jesosy hoe: "Andeso agnamiko aty zay."19Bakeo Jesosy nibaiko any vahoaky reo mba hipetraky amy akata eo. Nalainy mofo dimy voho fia roa. Niandrandra tandagnitsy tagny, nisaotsy I ka nanapaky any mofo reo ka nameany any mpianatsiny reo, ka mpianatsy reo ro nagnome any vahoaky reo. 20Nihina iaby reo iaby ka voky. Bakeo nahorondreo gny sisa tsy lany sy gny poti-kany ka nahafeno roambinifolo harona. 21Dimy arivo lahy teo reo nihina, ankoatsy gny zaza voho gny ampela.22Tonga de nampandehaniny tantsambokely sady handea alohany ampita egny mpianatsiny regny, laha mbo nandefa any vahoaky regny I. 23Tafarany nandefasany any vahoaky reo, nandeha niakatsy raiky tantendrombohitsy tegny I mba hivavaky. Lafa niavy gny hariva, I raiky ro teo. 24Gny sambo fa lavitsy gny tety, natopitopin'ny onja, fotony nitsoky nanohitsy andreo gny rivotsy.25Tamy fiambena fahaefatsy gny aly ro nagnato andreo Jesosy, nandea tambony ranomasy. 26Lafa nahita azy nandea tambony ranomasy mpianatsy regny, navozo ka nivola hoe: "Angatsy io," sady nitoreotoreo tamy tahotsy reo. 27Jesosy tonga de nivola tamindreo hoe: "Mahereza! Zaho tiky! Ka mavozo."28Namaly azy Petera ka nivola hoe: "Tompo, laha Iha io, apamonjeo anao ambonindrano egny aho." 29Hoy Jesosy hoe: "Mamonjea." Ka niala tamy sambokely Petera sady nandeha tambony rano mba hamonjy any Jesosy. 30Fa lafa nahita gny rivotsy Petera ka lasa nataotsy. Laha igny i nanomboky nilentiky igny, nikiaky mare I sady nivola hoe: "Tompo, vonjeo zaho!"31Jesosy tonga de nagnampatsy gny tagnany, nitazo any Petera sady niteny taminy hoe: "Iha ry kely finoa, fa nagnino iha ro nataotsy?" 32Bakeo Jesosy sy Petera nandeha namonjy any sambokely, nijano gny rivotsy. 33Bakeo mpianatsy tagnatiny sambokely regnyidera any Jesosy sady nivola hoe: "Iha marina ro Gnanakin-Dragnahary."34Lafa baka niampita rozy, niavy tantety ta Genesareta. 35Lafa nahay any Jesosy lelay tamy toera io, nandefa hafatsy tamy faritsy magnodidy iaby, nandesindreo tamy teo ze olo iaby narary.36 Nitalaho taminy reo mba hahafahandreo mikasiky gny moronakanjony avao, maro reo nikasiky azy ro janga.
Chapter 15

1Bakeo nisy Fariseo sy mpanora-dalana sasantsasany baka any Jerosalema namonjy any Jesosy. Hoy gnataondreo hoe: 2"Nagnino mpianatsy reo ro mandika gny fomban-drazany olo be reo? Fa tsy manasa tagna koa reo la hihinan-kany" 3Namaly I sady nisafa tamindreo hoe: "Ka nagnino nareo ro mandika gny lilin-Dragnahary noho gny fomban-Drazanareo?4Zagnahary nivola hoe: 'Hajao gny babanao voho gny neninao,' sady 'Zay mivola raty gny babany na gny neniny ro ho faty tokoa.' 5Nareo mivola hoe: 'Na ia na ia mivola amy babany na neniny hoe: "Na ino na ino fagnampia azonareo baka amiko de fagnomeza hoan-Dragnahary hananizao,"' 6zay olo zay de tsy tokony magnaja gny babany. Amy zay fomba zay ro foananareo gny safan-Dragnahary noho gny tombontsoany fomban-drazanareo reo.7Ry mpiatsaravelatsihy! To gny faminaniany Isia momba anareo laha nivola I hoe: 8"Vahoaky ty ro magnaja ahy amy vavandreo iaby, fe gny fondreo ro lavitsy ahy. 9Tsy misy dikany gny fiderany ahy fotony reo mampianatsy gny lilin'olombelo manahaky gny fampianarandreo."'10Bakeo nikaiky gny vahoaky ho amindreo eo I sady niteny tamindreo hoe: "Mijanjingna ka mazahoa- 11 Tsy gny militsy ambavan'olo ro mandoto gny olo. Fe ze aloky gny vava ro mandoto gny olo."12Bakeo namonjy mpianatsy reo sady nivola tamy Jesosy hoe: "Hainareo va fa tohy Fariseo reo lafa nahare any safa zay?" 13Jesosy namaly ka nivola hoe: "Raha mitiry ze tsy namboleny babako andagnitsy agny de ho lania ritsy iaby. 14Engao reo ho eo fa reo mpitariky gny jamba. Laha misy olo jamba raiky mitariky jamba raiky hafa, samy hivary andavaky reo roa."15Petera namaly ka nivola tamy Jesosy hoe: "Azavao aminay zao fagnohara zao." 16Hoy Jesosy hoe: Tsy manam-pahalala avao koa va nareo? 17Tsy hitanao va fa ze miditsy amy vava, militsy ankibo sady bakeo haboaky amy kabone?18Fa ze raha aboaky gny vava ro baka amy fo. Reo raha reo ro mandoto gny olo raiky. 19Baka amy fo gny hiboahany gny sain-dratsy, gny vono olo, gny fitsangajanga, gny fangalam-balin'olo, gny halatsy , gny fijoroa vavoombelo tsy to, ary gny fivolagnan-draty. 20Reo raha reo ro mandoto gny olo raiky. Fa gny mihima amy tagna tsy misasa ro tsy mandoto gny olo raiky."21Bakeo Jesosy niala teo ka nimpoly tamy faritaniny Tyro sy Sidona. 22Intia nisy ampela Kananita raiky baka amy faritsy io. Nikaiky mare i sady nivola hoe: "Mamindra fo amiko, ry Tompo gnanaky Davida o! Gnanako ampela ampahoriany devoly mare." 23Jesosy tsy namaly teny azy. Namonjy any mpaminany ka niamgavy taminy nivola hoe:" Roaho I fa mitabataba mare amintsika."24Jesosy namaly sady nivola hoe: "Tsy nirahy ho ania na ia Aho afa-tsy ho any ondry very amy ankohonany Israely." 25Avy nangataky sady niankohaky tagnatsehany i nivola hoe: "Tompo, vonjeo zaho." 26Namaly I ka nanao hoe: "Tsy rariny laha alay gny mofon-jaza ka atsipy ho any amboa."27Hoy I hoe: "Eka, Tompo, fa na gny amboa aza mba mihina ze ambiambiny latsaky baka amy latabatsy gny tompony." 28Namaly Jesosy sady nivola taminy hoe: "Rapela, bavata gny finoanao, ho tanteraky aminao araky gny fagnirianao zay." Janga gny gnanaky ampela taminizay fotoa zay.29Niala teo Jesosy ka nandea takaikiny ranomasiny Galilia. Bakeo niakatsy tantendrombohitsy raiky tegny i ka nipetsaky teo. 30Vahoaky maro ro nagnato azy. Nandesindreo niaraky tamindreo gny mandringa, gny jamba, gny moa ,gny kilemaina voho gny maray hafa maro hafa koa. Napetsakindreo tan-tombokiny Jesosy reo, ka nijangany. 31Tandre gny vahoaky laha nahita any moa nivola, gny kilemaina janga, gny malemy afaky mandeha, gny jamba nahiratsy. Nankalaza an-Dragnahariny Israely rozy.32Nikaiky mpianatsiny reo mba hamonjy Azy Jesosy sady nivola hoe: "Mangoraky any vahoaky reo zaho fotony telo andro sahady reo ro nipetsaky niaraky tamiko nefa tsy mana hoany. Tsy ta handefa andreo tsy hihina Zaho, tsony ho safotsy andala egny." 33Hoy mpianatsy reo taminy hoe: "Aia ro hahitanay mofo ampy any vahoaky maro be reo agnefitsy aty?" 34Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Mofo firy ro aminareo agny?" Hoy reo hoe: "Fito voho hazandrano madiniky kely." 35Bakeo Jeosy nandidy gny vahoaky mba hipetsaky amy tany.36Nandramby gny mofo fito mbaminy hazandriaky I, lafa nisaotsy, namaky gny mofo ka nanolotsy anireo ho amy mpianatsy. Mpianatsy reo ngnome hoany vahoaky iaby. 37Nihina ka afa-po gy vahoaky iaby. Bakeo reo nanambatsy sobiky fito feno ambiambiny ze tsy lany. 38Reo ze nihina de efatsy arivo lahy, tsy agnatiny gny zaza voho gnampela. 39Bakeo Jesosy nagnampoly gny vahoaky ka niondry an-tsambokely sady nandea amy faritsy Magadana.
Chapter 16

1Niavy Fariseo voho gny Sadoseo sady nitsapa Azy ka nangataky Azy mba hampiseho andreo famantara baka an-dagnitsy. 2Namaly I sady nivola hoe: "Lafa haly, hoy nareo hoe: 'Ho soa gny andro fa mena gny lanitsy.'3Lafa maraindray, hoy nareo hoe: 'Ho raty gny andro, fa mena sady manjombo gny lagnitsy.' Hainareo gny mamantatsy endriky gny lagnitsy, nareo tsy afaky mandika famantara gny fotoa. 4Gny taragnaky raty sy mpijangajanga ro mila famantara fa tsy famatara homea azy ankoatsy gny famantarany Jona." Bakeo Jesosy nagnenga andreo ka roso.5Lafa niavy tampita tegny mpianatsy reo, alignondreo gny nanday mofo. 6Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Miambena sady mitandrema amy masirasirany Fariseo sy Sadoseo." 7Nialy hevitsy mpianatsy reo ka nivola hoe: "Noho tsika tsy nanday mofo." 8Jesosy nahay anizay ka nivola hoe: "Nareo ry kely finoa, nagnino nareo ro mialy hevitsy aminareo ka mivola fa noho gny tsy nandesanareo mofo zao?9Mbo tsy hainareo na tiaronareo va gny mofo hoany dimy arivo, sady sobika firy ro navorinareo? 10Na mofo fito hoany efatrarivo, sobika firy ro nalainareo?11Manao akory ro tsy hazahoanareo fa tsy mombany gny mofo ro nambarako anareo? Miambena sady mitandrema amy masirasirany Fariseo reo sy Sadoseo." 12Bakeo azondreo fa tsy hitaho amy masirasirany mofo ro nambarany andreo fa hitaho gny amy fampianarany Fariseo voho Sadoseo reo.13Lafa niavy baka my faritsy akaikiny Kaisaria-fiipo Jesosy, nagnontany any mpianatsiny I manao hoe: Ataony olo ho ia moa gny gnanak'olo? 14Zao gnataondreo hoe: "Gny sasany magnambara fa Jaona mpanao batisa, gny sasany, Elia; gny hafa, Jeremia na raiky tamy mpaminany reo." 15Hoy I tamindreo hoe: "Ka nareo koa manao Ahy ho ia? 16Namaly Simona Petera nanao hoe: "Iha ro Kristy, gnanaky gnazy Zagnahary velo."17Namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: "Sambatsy iha ry Simona Bar-jona fa tsy gny nofo voho gny ra ro naneho anizay taminao fa gny Babako ze andagnitsy agny. 18Ambarako aminao avao koa fa ia ro Petera sady amboniny vatolampy ty ro hagnorenako gny fiangonako. Gny vavahadiny fasana ro tsy haharesy anizay.19Hameako anareo gny fagnalahidiny fanjankan-Dragnahary. Na ino na ino fehinao ambony tany, ho fehezy an-dagnitsy agny, na ino na ino vahainao antany etoy,vahay an-dagnisy agny." 20Bakeo Jesosy nandidy any mpianatsy reo fa I tsy tokony havola na aminia na aminia fa I ro Kristy.21Taminizay fotoa zay Jesosy nanomboky nivola tamy mpianatsiny reo fa tsy maintsy ho agny Jerosalema I, hizaka fijalia maro an-tananay loholona voho gny lohany mpisoro, mpanora-dily reo, ho vonoa sady hatsanga amy andro fahatelo. 22Bakeo Petera nangala Azy ka nivola mare Azy hoe: "Ho lavitsy anao lehy zao ry Tompo, tsy hiseho aminao mintsy zao." 23Jesosy nitodiky ka niola tamy Petera hoe: "Miala ivohoko ry satana! Iha ro fanahafitohina ho Ahy, noho iha tsy midary gny rahan-Dragnahary fa gy rahany gnolo."24Bakeo Jesosy nivola taminy mpianatsiny reo hoe: "Laha misy ta hagnaraky Ahy, tsy maintsy manda gny gnainy I, handay gny hazo fijaliany, sady magnaraky Ahy. 25Fa na ia na ia ta hamonjy gny gnainy, hahavery azy, na ia na ia ro hahavery gny gnainy noho amiko, hahazo anizay. 26Ino moa ro soa ho azony olo laha mahazo any raha iaby nefa very gnainy? Ino ro omeny olo hotakalony gnainy?27Gny Gnanak'olo ro ho avy amy voninahitsy gny Babany miaraky amy anjeliny reo. Bakeo I hamaly soa gny olo tsiraikiraiky araky ze vitany. 28Ambarako aminareo marina fa misy sasany aminareo ze mijoro eto ro tsy hitsapa gny fahafatesa mandrapahitandreo gny gnanak'olo avy amy fanjakany."
Chapter 17

1Enin'andro tafara tatoy Jesosy nangala any Petera, Jakoba voho Jaona rahalahiny niaraky tamny sady nanday azy niakatsy gny tendrombohitsy abo tany gnaindreo. 2Niova endriky talohandreo. Namiratsy nanahaky gny masoandro gny vatany sady gny sikiny lasa namiratsy nanahaky gny hazava.3Intia, niseho tamindreo Mosesy sy Elia niresaky taminy. 4Namaly Petera sady nanao tamy Jesosy hoe: "Tompo, soa amintsika gny eto. Laha sitrakinao, hanao fialofa telo ho antsika eto zaho__ raiky ho gnanao, raiky hoany Mosesy, raiky hoany Elia."5Laha mbo nivola I, intia nisy raho mazava nagnaro andreo, ka nisy feo niboaky baja amy raho nanao he: "Toy gnanako malalako zay sitrako tokoa. Janjigno I." 6Lafa nireny mpianatsy reo zay, lavo reo sady navozo mare. 7Bakeo niavy Jesosy ka niakasiky andreo sady nivola hoe: "Mitsangana ka matahotsy." 8Bakeo nijery ambony reo fa tsy nahita na ia na ia laha tsy Jesosy raiky avao.9Laha nijotso gny tendrombohitsy reo, nandidy andreo Jesosy nanao hoe: "Ka mitatitsy any fahita zao na aminia na aminia laha tsy fa mitsanga amy mata gny gnanak'olo." 10Nagnontany andreo mpianatsiny nanao hoe: "Nagnino araky gny mpanora-dily ro mivola fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?"11Jesosy namaly sady nivola hoe: "Elia ho avy tokoa sady hagnampoly amy klaonini gny raha iaby. 12Nefa ambarako aminareo fa fa niavy Elia, fa reo tsy nahay azy. Mifanohitsy aminizay, nanao gny raha iaby zay tiany natao tamindreo. Nanahaky anizay avao koa, gny gnanak'olo avaokoa hijaly an-tagnandreo. 13Bakeo azony mpianatsy reo fa niteny tamindro gny momba an'i Jaona mpano batisa I.14Lafa niavy tamy vahoaky rozy, nisy johary raiky namonjy Azy, nandohaliky talohany sady nivola hoe:" 15Tompo, managna famindrampo amy gnanakilahiko fa tratsiny androbe I sady mijaly mare. Lavo matetiky agnaty afo na rano I. 16Nanday azy taminy mpianatsinao teo aho fa tsy afaky magnajanga azy rozy."17Namaly Jesosy sady nivola hoe: "Ry taragnaky tsy mpino sady sinba toetsy, ombia ro tokony hipetsahako miaraky aminareo? Ombia ro tsy maintsy hiaretako miaraky aminareo? Andeso amiko eto I." 18Nivola mre gny demonia Jesosy ka niboaky taminy zay sady janga taminy fotoa zay anakilahy igny.19Nagnanto any Jesosy mangingina mpianatsy regny ka nanao hoe: "Magnino ro tsy nahavita namoaky anigny zahay? 20 Jesosy niteny andreo hoe: "Noho gny tsy finoakelinareo. Ambarako aminareo marina tokoa, laha mana finoa na kelikely manahaky gny voatsinampy aza nareo, afaky mivola aminy tendrombohitsy ty nareo hoe: 'Mifaloa baketo ho etia,' ka hifalo zay sady tsy hisy na ino na ino tsy ho hainareo atao. [Fagnamariha: gny dikan-tsafa taloha soa mare tsy ahita gny hoe:" 21Fa toy karazany devoly toy tsy miboaky laha tsy miaraky amy vavaky sy fifandihan-kany."]22Laha nipetsaky ta-Galilia rozy, hoy Jesosy taminy mpianatsiny reo hoe: "Gny gnanak'olo hatolotsy antagnan'olo, 23sady reo hamono Azy ka gny andro fahatelo I ro hitsanga." Lasa nalahelo tanteraky mpianatsiny reo.24Lafa avy tagny Kaperinaomy reo,nandeha amin'i Petera reo lehilahy zay namory gny hetra antsasaky gny sekely sady nivola hoe: "Tsy mandoa hetra antsasaky gny sekely va mpampianatry nareo?" 25Hoy reo hoe: "Eka." Fa lafa nilitry tan-trano tao Petera, Jesosy ro niresaky taminy aloha ka nanao hoe: "Ino ro eritreitrinao,nao Simona? Reo mpanjaka an-tany eto, baka amin'ia ro embenan-dreo hetra na hetran'olo? Baka amy reo vahoaky va sa baka my reo vahiny?"26Lafa nivola Petera hoe: "Baka aminy vahiny reo," Jesosy namaly tagnaminy hoe: "Afaky amy fandoava anizay vahoaky reo. 27Fa mba tsy hampagnotantsika gny mpamory hetsa, mandehana amy ranomasy egny, manipaza fitana ao ka alao gny fia ze miakatsy voalohany. Lafa voasokatsinao gny vavany, hahita sekey iha. Alao zay ka ameo mpamory hetsa reo, ho ahy sady ho gnanao."
Chapter 18

1Tamy izay fotoa izay avao ro niavy tamin'i Jesosy reo mpianany sady nivola hoe: "Ia ro bevata mare agny amy gny fanjaka gny lanitry?" 2Jesosy nikaiky zaza kely ho aminy eo,nametraky azy tamin-dreo, 3sady nivola hoe: "Volaniko marina aminareo, fa laha tsy miova manahaky zaza kely reo gnareo, tsy hisy hevitry gny hidiranareo agny amy gny fanjaka gny lanitry.4Noho izay, gna ia gna ia manetry tena manahaky gny zaza kely ity ro bevata mare i agny amy gny fanjaka gny lanitry. 5Gna ia gna ia mandramby gny zaza kely manahaky anizao amy gny agnarako ro mandramby Ahy. 6Fa gna ia gna ia mahavy gny raiky amy reto zaza kely reto zay mino Ahy hanota, ro ho sao kokoa ho azy gny hiantonany gny fikosoham-bary bevata ambozony eny, ka halentiky amy gny riaky laliky agny I.7Loza ho agn'izao tontolo zao noho gny fotoa gny fanafintohia! Fa ilay gny ahavy izay fotoa izay,nefa loza ho agn'olo izay niavian'izay fotoa izay! 8Laha miteraky fanafintohia ho anao gny tagnanao gna gny tombokinao, tapaho izay sady alao aminao eo. Soa mare ho anao gny militry kilemay na mandringa agny amy gny fiaina mandrakizay noho gny ho very agny amy gny motro tsy mety maty amy gny fanana tagna roa gna tomboky roa.9Laha miteraky fanafitohiana ho anao gny masonao raiky, omboto sady alao aminao eo. Soa mare ho anao gny militry agny amy gny fiaina mandrakizay miaraky amy gny maso ila noho gny hoe tsobo agny amy gny motro tsy mety maty miaraky amy gny maso roa.10Tandremo tsy hanao tsinotsino reo zaza maliniky reo gnareo. Fa mivola aminareo Zaho fa an-danitry agny reo anjeliny ro mijery avao gny sorakiny Babako izay an-danitry agny. 11[Fanamariha: Gny dikan-tsafa taloha soa mare ro tsy ahita gny fehezanteny izay miboaky manahaky hoe gny v.11. hoe: "Fa gny Gnagnak'Olo ro avy mba hamonjy izay tsobo."]12Ino ro eritreritrinareo? Laha misy mana ondry zato, ka mandeha amy gny lala diso gny raiky amy ndreo, tsy hanenga gny sivy amby sivifolo anabo va I sady andeha hila gnazy raiky zay nandeha amy gny lala diso? 13Laha hitany izay, ka volaniko marina amignareo, fa misinisiny amy izay mihoatry noho reo sivy amby sivifolo gnazy tsy gnandeha amy gny lala diso I. 14Manahaky izay koa, tsy to gny Babagnareo an-danitry agny gny hahavery gny raiky amy reo maliniky reo.15Laha manota aminao gny rahalahinao, mandehana sady volano azy gny hadisoany aminao sy reo avao koa. Laha mindrandry agnao I, hifankahazo amy gny rahalahinao ndraiky iha. 16Kanefa laha tsy mindrandry anao I, mangala raiky na roa hafa miaraky aminao, amy zay mba amy gny vava ndreo vavolombelo roa na telo no ahafaha manato gny safa iaby.17Sady laha manda gny hijandry azy reo I, volano amy gny fiangona gny raha misy. Laha tsy manenky hijandry gny fiangona avao koa I, ka engao I hanahaky gny Jentilisa sy gny mpamory hetra.18Volaniko aminareo marina io, gna ino gna ino fehezinareo an-tany ety dia ho fehezi an-danitry agny; sady gna ino gna ino enganareo eto an-tany ka ho enga koa zay an-danitry agny. 19Sady mbo ho volaniko aminareo avao hoe: "Laha misy roa amignareo manenky en-tany eto gny amy zay raha angatahy ndreo, ka hoa atao ho azy reo izay amy gny alala gny Babako zay an-danitry agny.20Fa gna aia misy roa gna telo miaraky mivory amy gny Agnarako, anivondreo reo eo Zaho."21Bakeo namondry Petera sady nivola tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, impiry hanota amiko gny rahalahiko ka hanenga azy aho? Hatramy gny im-pito va?" 22Jesosy nivola azy hoe: "Tsy mivola aminao Aho hoe im-pito, fa hatramy gny fitopolo im-pito.23Noho izay gny fanjaka gny lanitry mitovy amy gny mpanjaka azaiky zay ta hifandamy ara-bola miaraky amy reo mpanompony. 24 Laha vo nanomboky gny fandamina i,gnisy mpanompo raiky nandesy taminy teo zay gnananany talenta ray aly. 25Fe satria tsy gnana fomba handoava izay I, ka nandidy gny hamarota azy gny tompony, miaraky amy gny valiny sy reo agnany voho reo hananany iaby, ka ho vita gny fandoavan-trosa.26Noho izay niondriky gnazy mpanompo, sady nisoloho talohany teo, sady nivola hoe: 'Tompo, manana fahareta amiko,fa haloako aminao gny raha iaby.' 27Noho izay gny tompo gnazy mpanompo izay, nahaferinay, ka gnanafaky azy sady nanenga gny trosa taminy.28Fa niboaky io mpanompo io ka nahita gny raiky tamy reo mpiara-manompo aminy, izay gnananany dinaria zato. Nosamboriny I, norambesiny tamy gny tendany, sady nivola hoe: 'Aloavo amiko zay nitrosanao.' 29Nefa nihohoky io mpiaraky manompo amy gny io sady nisoloho taminy,nanao hoe: 'Manana fahareta amiko, fa haloako aminao zay.30Kanefa nanda gnazy mpanompo voalohany. Mifanohitry amy gny izay, nandeha I sady nataony tany am-pigadra gnazy mpiara-manompo aminy mandra-pahaloany aminy zay notrosainy. 31Lafa nahita izay niseho reo mpiaraky manompo aminy, nalahelo tokoa reo. Nandeha sady nivola tamy gny tompony zay raha iaby niseho reo.32Bakeo nikaiky azy tompon'io mpanompo io, sady nivola azy hoe: 'Iha ry mpanompo raty fanahy, nanenga gny trosa iaby taminao zaho satria iha nisoloho tamiko. 33Tsy tokony hana famindram-po amy gny mpiaraky manompo aminao va iha, manahaky gnanako famindram-po taminao?'34Nasiaky gny tompony sady nanday azy tany am reo mpampijaly mandraky pahaloany zay raha notrosainy. 35Manahaky izay koa ro ho atao gny Babako an-danitry agny aminareo, laha tsy manenga gny rahalahiny amy gny fony gny tsiraikiraiky aminareo."
Chapter 19

1Sady lafa nahavita reo safa reo Jesosy, niala ta Galilia I, sady nandeha amy gny faritr'i Jodia zay tany andafy gny renirano gny Jordana. 2Vahoaky maro ro gnanaraky Azy,ka nanandranga azy reo tany I.3Gnamondry Azy fariseo reo, nitsapa Azy, nivola taminy hoe: "Ara-dalana ho agny lehilahy va gny misaraky amy gny valiny noho izay mety ho antony iaby?" 4 Jesosy namaly sady nivola hoe: "Tsy novakianareo va fa I zay gnanao azy reo tamy gny volahoany ro gnanao azy reo ho johary sy ampela?5I zay gnanao azy reo ro nivola koa hoe: 'Fa noho izay antony izay ro hanenga gny babany sy neniny gny lehilahy ka hikamba amy gny valiny, sady hanjary nofo raiky rozy roa?' 6Ka tsy ho roa koa reo, fa ho vata raiky avao. Ka izay nakamba Andraignanahary, aoky tsy hisy hanasaraky."7Hoy I tamy ndreo hoe: "Nahoa zao Mosesy ro mandidy anay hanome taratasy fannamaria mpisaraha sady bakeo hampoly azy?" 8Hoy I tamy ndreo hoe: "Fa gny hamafisan-po gnareo amy gny valinareo, fa tamy gny voalohany ro tsy zay ro fomba. 9Volaniko agnareo, gna ia gna ia misaraka amy gny valiny, afa-tsy noho gny fijangajanga, ka manambaly hafa, manitsakitsaki valy; sady gny johary manambaly ampela zay fa nisaraky valy ro mijangajanga."10Reo mpianatry nivola tamin'i jesosy hoe: "Laha izay ro petraki gny lehilahy amy gny valiny, tsy soa gny manambaly." 11Fa Jesosy nivola tamy ndreo hoe: "Tsy gny olo iaby ro afaky manenky izay fampianara izay, fa reo izay nenga hanenky izay avao. 12Fa misy reo ionoka zay fa manahaky anizay baka an-kibon-drenin-dreo, sady misy reo ionoka zay nataon'olombelo, sady misy reo ionoka zay manao gny gnainy ndreo ho ionoka noho gny fanjaka gny lanitry. I zay afaky mandramby izay fampianara izay, ao I handray izay."13Bakeo gnisy zaza maliniky sasantsasany nandesy taminy teo mba hametrahany tagna an-dreo ka hivavaky, fa nivola mare azy reo mpiantry regny. 14Fa hoy Jesosy hoe: "Engao gny zaza maliniky, sady ka rara reo hamondry Ahy, satria gny fanjaka gny lanitry ro manahaky azy reo." 15Gnapetrany teo amy reo zaza reo gny tanany, sady bakeo niala teo I.16Indroy, gnisy lehilahy gnamondry agn'i Jesosy sady nivola hoe: "Mpampianatry, ino ro raha soa tsy maintsy ataoko mba hahazoako gny fiaina mandrakizay?" 17Jesosy nivola taminy hoe: "Manino anao ro manonatany momba izay soa aty amiko? Raiky avao ro soa, fa laha te hililtry agny amy gny fiaina anao, tandremo reo didy."18Hoy gnazy lehilahy taminy hoe:" Didy ino?" Ka hoy Jesosy hoe: "Ka mamono olo, ka mijangajanga, ka mangalatry, ka mety vavolombelo diso, 19hajao gny rainao sy gny reninao, sady tiavo gny mpiara-belo aminao manahaky gny vatanao."20Gnazy kidabo nivola taminy hoe: "Fa nenkeko iaby izay raha iaby izay. Ino ro mbo ilaiko?" 21Jesosy nivola taminy hoe: "Laha maniry gny ho soa mare iha, mandehana, avilio izay anananao,sady omeo gny mahantra, ka hana harea an-danitry agny iha; sady avia,manaraha Ahy." 22Fa lafa nandre zay safan'i Jesosy gnazy kidabo igny, niala tamy gny alahelo I, satria gnana fanana maro.23Hoy Jesosy tamy reo mpianatry hoe: "Volaniko marina aminareo, sarotry ho agny gny mpanakarea gny hilitry gny fanjaka gny lanitry. 24Sady mbo volaniko aminareo ndraiky, mora mare ho agny gny rameva gny militry amy gny forim-panjaitry noho gny idira gny mpanakarena ao amy gny fanjakan-Dragnahary."25Lafa nahare izay reo mpianatry, tandre tokoa ka nivola hoe: "Ia zany ro afaky ho vonjena?" 26Gnijery azy reo Jesosy sady nivola hoe: "Amy gny olo ro tsy hay atao izay, fa amin-Dragnanahary gny raha iaby ro azo atao." 27Bakeo Petera namaly sady nivola hoe:" Ntoy, nenganay gny raha iaby sady gnanaraky Anao zahay. Ino zao ro ho azonay?"28Jesosy nivola azy reo hoe: "Volaniko marina aminareo, amy gny vanim-potoa vaovao lafa mipetraka amy gny seza fiandriagna gny voninahiny gny Agnak'olo, hipetraky eo amy gny seza fiandriana roa ambiny folo avao koa gnareo zay gnanaraky Ahy, hitsara reo foko roa amby gny folon'Israely.29Gny olo iaby zay nanenga trano, rahalahy, anabavy, baba, neny, agnaky, gna tany noho gny agnarako, ro handramby mahery zato mare sady handova fiaina mandrakizay. 30Fa maro reo zay volaohany ho lasa farany, sady gny farany ho voalohany.
Chapter 20

1Fa gny fanjaka gny lanitry ka manahaky gny tompon-tany zay nandeha vo maraindray be hanakarama mpiasa ho agny gny tanim-boalobony. 2Lafa baka niafanaraky tamy reo mpiasa I fa ho denaria raiky isan'andro gny karama ndreo, ka nalefany tamy gny tanim-boalobony reo.3Niboaky ndraiky I tamy gny fotoa fahatelo sady nahita mpiasa hafa nitsangatsanga tan-tsena ao. 4Hoy I tamy ndreo hoe: "Gnareo koa, mandehana agny amy gny tany boaloboky, sady zay an-keviny marina ro homeko anareo." Ka nandeha niasa reo.5Mbo niboaky ndraiky I teo ho eo amy gny ora fahatsota sady koa tamy gny ora fahasivy, sady gnanao manahaky izay koa. 6Tamy gny ora faharaiky ambiny gny folo ro niboaky ndraiky koa I sady nahita mpiasa hafa nitsangatsanga. Hoy I tamy ndreo hoe: "Gnahoa gnareo ro mitsanga eto nanomboky gny tontolo andro?" 7Hoy reo taminy hoe: "Tsy misy olo manakarama zahay." Hoy i tamy ndreo hoe:" Gnareo avao koa mandeha agny amy gny tany boaloboky."8Lafa avy gny hariva, nivola tamy gny mpitan-draharaha gny tompony tany boaloboky hoe: "Keho mpiasa regny sady aloavo gny karama ndreo, manomboky baka aminy farany mandeha amy gny voalohany." 9Lafa avy reo mpiasa zay nalainy tamy ora faharaiky ambiny folo, nahazo denaria raiky tsiraikiraiky iaby reo. 10Lafa avy mpiasa voalohany regny, nihevitry fa ahazo mihoatry reo, kanefa reo avao koa ro nahazo dinaria raiky raiky iaby.11Lafa nahavoaray gny karamany reo, nitaray momba gnazy tompon-tany reo. 12Hoy reo hoe: "Reo mpiasa farany reo niasa adiny raiky avao, nefa nampitovianao taminay reo, zahay zay nitsatra gny vesatry gny andro raiky sy niaritry mai gny andro."13Ka namaly gnazy tompon-tany ka nivola tamy gny raiky amy ndreo hoe: "Gnamako, tsy manao zay tsy mety aminao aho. Tsy denaria raiky va ro nifanarahanao tamiko? 14Rambeso zay gnanao sady tohizo lalanao. Zaho ro nifily gny hanome ho an-dreo mpiasa nokaramai farany manahaky anao avao.15Tsy manan-jo hanao araky zay tiako amy zay nahy va zaho? Sa mialo va gnareo satria malala-tagna aho? 16Ka gny farany ro ho voalohany,sady gny volohany ho farany." [Fanamariha: Gny dikan-tsafa taloha soa mare ro mangala hoe: "Maro ro nikehy fa vitsy gny voafily."]17Laha hiondro ho agny Jerosalema Jesosy, nangala folo roamby tanilany I, sady tan-dala eny I nivola tamin-dreo reo hoe: 18"Indroy, hiakatry ho a Jerosalema ntsika, sady gny Gnanak'Olo ro hatolotry eo amy gny loha gny mpisoro sy reo mpanora-dily. I reo ro hanameloky Azy ho maty 19sady hanolotry Azy amy reo Jentilisa mba hiomehezany, ho kapohiny, sady hanantona Azy amy gny hazofijalia. Fa amy zay andro fahatelo ro hatsanga ndraiky I."20Bakeo gny neni reo agnaky lahy gny Zebedio gnamondry agn'i Jesosy niaraky tamy reo agnaky lahiny. Niondriky talohany teo i sady nangataky raha baka Aminy. 21Hoy Jesosy taminy hoe: "Ino ro irinao?" Hoy I taminy hoe: "Mandidia mba hipetrahan-dreto agnako roa lahy reto, gny raiky an-tananao ankavana voho gny raiky an-tananao ankavia eo,ao amy gny fanjakanao."22Fa Jesosy namaly sady nivola hoe:" Tsy hainareo gny raha angatahinareo. Afaky gny hino gny kapoaky zay hinomiko va gnareo?" Namaly reo hoe: "Afaky zahay." 23Hoy I tamy ndreo hoe: "Hisotro gny kapoakiko tokoa gnareo. Fa gny hipetraky eo an-tanako ankavanako sy ankaviako ro tsy anjarako no manome, fa agn-dreo zay fa nomany gny Babako." 24Lafa nahare izay reo mpianatry folo lahy hafa, nasiaky mare tamy reo mpirahalahy roa.25Fa Jesosy nikaiky azy reo ho aminy eo sady nivola hoe: "Hainareo fa reo mpanapaky ndreo Jentilisa ro hameho azy reo, sady reo lehilahy manan-danja ndreo ro hampiatry gny fahefany amy ndreo. 26Fe tsy tokony hanahaky izay gny aminareo. Mifanohitry amy zay, na ia gna ia maniry gny ho lasa bevata aminareo ro tsy maintsy ho mpanomponareo, 27sady na ia gna ia maniry gngy ho voalohany eo aminareo ro tsy maintsy ho mpanomponareo, 28manahaky gny Gnagnak'Olo tsy avy ho tompoi fa hanompo, sady hanome gny ainy mba ho vilim-panavota ho agny maro."29Laha niboaky baka agny Jeriko vahoaky maro ro nagnaraky Azy. 30Nisy lehilahy goa roa nifitaky tamy lala teo. Lafa nahare fa nandalo Jesosy,nitoreo mare reo hoe: "Tompo, Agnak'i Davida mamindra fo aminay." 31Neloky andreo gny vahoaky, nivola an-dreo mba hantsintsiny, kanefa vo maiky reo nikaiky mare hoe: "Tompo, Agnak'i Davida, mamindra fo aminay."32Bakeo Jesosy nijano sady nikaiky an-dreo voho nivola hoe: "Ino ro irinareo ho ataoko aminareo?" 33Hoy reo taminy hoe: "Tompo, mba hanenty gny masonay" 34Bakeo Jesosy, naferinay, ka nikitiky gny mason-dreo. Tonga de nahita reo sady nanaraky Azy.
Chapter 21

1Lafa gnamondry agn'i Jerosalema Jesosy sy gny mpiantriny ka nandeha ao Betifaga, agny an-dohambohitr'i Oliva, nandefa mpianatry roa Jesosy, 2nivola tamy ndreo hoe: "Mandehana ao amy gny vohitry manaraky ao, fa eo no eo gnareo ro hahita boriky mifatotry voho agna-boriky raiky miaraky aminy. Vahao reo sady andeso aty amiko. 3Laha misy mivola aminareo momba izay, volano hoe: 'Misy ilany gny Tompo azy reo,' sady eo no eo izay olo izay ro hnadefa azy reo miaraky aminareo."4Niseho raha zay mba hahatanteraky izay nambara tamy gny alala gny mpaminany. Hoy I hoe: 5"Agnambarao gny agnaky ampelan'i Ziona hoe: 'Indroy, gny Mpanjakanao mamondry anao, Manetry tena sady mitengy boriky agna-boriky lahy."'6Bakeo roso reo mpinatry sady gnanao arak'izay nandidian'i Jesosy azy reo. 7Nandesin-dreo ampondra sy agna-boriky sady nametraky gny siky ndreo taminy teo, ka nipetraky taminy siky igny Jesosy. 8Gny ankamaroa gny vahoaky namelatry gny sikiny tamy gny tany, voho reo hafa nanapaky sampan-kazo sady nanaparitaky izay tamy gny lala.9Bakeo reo vahoaky nialoha agn'i Jesosy sy reo zay gnanaraky azy nimenimeny hoe: "Hosana ho agny gny agnak'i Davida! Isaora raiky avy amy gny agnara gny Tompo! Hosana agny amy gny anabo mare!" 10Lafa nilitry tao Jerosalema Jesosy, nitoreo tana raiky gnanao hoe: "Ia moa io?" 11Gny vahoaky namaly hoe: "I ro Jesosy gnazy mpaminany baka agny Nazareta agny Galilia."12Bakeo nilitry tao an-tempoly Jesosy. Niroasiny iaby reo mpivanda sy mpivarotry tao an-tempoly, sady navalikiny latabo gny reo mpanakalo vola sy gny fipetraha gny reo mpivarotry voromailala.13 Hoy I tamy ndreo hoe: "Fa voasoratry hoe: 'Gny tranoko ro hikehy hoe trano fivavaha,' kanefa ataonareo kizo fipetraha gny jiolahy." 14 Lafa bakeo gnisy goa sy kolitraky gnamondry Azy tao an-tempoly, ka nositraniny rozy reo.15Ka nony nahita gny raha mahatseriky nataony gny lehibe gny mpisoro sy gny mpanora-dalana, sady lafa ren-dreo gny zaza maliniky nitabataba tab-tempoly hoe: "Hosana ho agny gny agnak'i Davida," nasiaky mare reo. 16Hoy reo taminy hoe: "Renareo va izay safa gny reo olo reo?" Namaly azy reo Jesosy hoe: "Eka! Fe tsy mbo novakinareo mihintsy va gny hoe: 'Baka amy gny vava gny zaza maliniky sy gny zaza minono ro nanaova soa gny fidera?"' 17Bakeo nanenga azy reo Jesosy ka nandeha tany amy gny tanan'i Betania sady nipetraky aliky tao.18Sady lafa maraindray laha nimpoly tany an-tana I, nimosary. 19Nahita hazo gny aviavy tamy sisin-dala teny, namondry teny I sady tsy nahita gna ino gna ino teo afa-tsy gny raviny. Hoy I taminy hoe: "Aoka tsy hisy vihy sasy koa baka aminao mandrakizay," sady niaraky tamy zay ro nihamaiky aviavy igny.20Lafa nahita anizay mpianatry reo ka tseriky sady nivola hoe: "Nanino tonga de nahamaiky agn'ity aviavy ity?" 21Namaly Jesosy sady nivola azy reo hoe: "Volaniko marina aminareo, laha manam-pinoa sy tsy misy fisalasala gnareo, tsy izay natao tamy reo aviavy io avao ro hatanareo, fa gna hivola amy gny vohitry ty aza hoe: 'miombota sady mivarina an-driaky agny,' ka ho atao izay. 22Gna ino gna ino angatahinareo am-bavaky, am-pinoa, ho azonareo."23Igny nilitry tao an-tempoly Jesosy, gnamondry Azy gny lehibe gny mpisoro voho gny zokiolo laha nampianatry I sady nivola hoe: "Fahefa bakaia moa ro anaovanao regny raha regny, sady ia ro nanome agnao izay fahefa izay?" 24Namaly Jesosy sady nivola tamy dreo hoe: "Hametrahako fanontania raiky avao gnareo. Ka laha volaninareo amiko, ho volaniko aminareo gny fahefa anaovako agny regny raha regny.25Gny batisan'i Jaona__bakaia ro niaviany? Baka an-danitry agny sa tamy gny olombelo?" Nialy hevitry reo, nanao hoe: "Laha mivola tsika hoe: 'Baka an-danitry agny,' I hivola amy tsika hoe: 'Fa nahoa gnareo ro tsy mino azy?' 26Fa laha mivola tsika hoe: 'Tamy gny olombelo,' mataotry gny vahoaky tsika, satri reo iaby mihevitry agn'i Jaona manahaky gny mpaminany." Ka namaly agn'i Jesosy reo ka nivola hoe: "Tsy hainay." 27Sady hoy avao koa I tamy ndreo hoe: "Zaho koa tsy hivola aminareo hoe bakaia gny fahefa anaovako agny regny raha regny.28Ka manao akory gny hevitry nareo? Gnisy johary raiky nana agnaky roa lahy. Nandeha amy raiky volaohany i sady nanao hoe: 'Anaky, mandehana miasa agny amy tanim-boaloboky androany.' 29Namaly azy agnaky lahiny hoe: "Tsy ho agny aho," fa bakeo niova hevitry I ka nandeha avao. 30Bakeo nandeha amy raiky faharoa I sady nivola manahaky anizay avao koa. Namaly i ka nivola hoe: "Ho agny aho, tompoko,' nefa tsy nandeha I.31Ia tamy reo agnakiny reo ro nanao gny sitrapo gny babany?" Hoy reo hoe: "Gnazy voalohany." Jesosy nivola azy reo hoe: "Volaniko marina aminareo, gnazy mpamory hetra sy reo mpivaro-tena ro hilitry gny Fanjaka gny Andriagnanahary alohanareo. 32Fa Jaona gnamondry anareo tamy gny fahamarina, fe tsy nino azy gnareo. Fa reo mpamory hetra sy mpivaro-tena nino azy. Fa gnareo, na nahita izay, tsy nibebaky sy tsy nino azy.33Kasao ty fanohara raiky ty. Gnisy lehilahy raiky,tompo tany. Nanao tany boaloboky I, novalany izay, nandavahany famiaza tanatiny tao, nananganany tilikambo, sady nampanofainy tamy reo mpamboly volaoboky. Bakeo nandeha tamy tany hafa I. 34Noho nariniky gny taom-pahavokara, naniraky gny sasany tamy reo mpanompo I ho agny amy reo mpamboly voaloboky hangala gny vokatry.35Fa nosambori-ndreo mpamboly voaloboky reo mpanompony, nivangoiny gny raiky, novonoiny gny hafa, mbo nitorahiny vato gny hafa. 36Mbo nandefa mpanompo hafa ndraiky gnazy tompon-tany, maro noho gny tamy gny voalohany, fa nataon-dreo manahaky izay avao koa. 37Tafarany zay,nanitraky gny agnakiny lahitoka tany amin-dreo gny tompon-tany, nivola hoe: "Hanaja agny agnako reo."38Ka lafa nahita gnazy agnaky lahy igny mpamboly voaloboky reo, nifampiresaky reo hoe: "Ity ro mpandova. Ndao, ho vonointsika I sady ho alaintsika lovany." 39Noho izay nosamborin-dreo I, natoraky tao anatiny tanim-boaloboky sady novonoy.40Lafa avy gny tompo gny tanim-boaloboky,ino ro ho ataony amy reo mpamboly voaloboky?" 41Hoy reo taminy hoe:"Ho ringany amy zay fomba marei didiky reo olon-doza,sady bakeo hampanofainy amy reo mpamboly voaloboky hafa gny tanim-boaloboky,olo hanome azy gny anjara voliny amy gny fotoam-pahavokara."42Jesosy nivola tamy ndreo hoe: "Tsy mbo namaky gny Soratry Masy mihintsy va gnareo hoe: 'Gny vato nandana gny mpanao trano ro natao vato fehizoro. Baka amy gny Tompo izay, sady mahatsetiky eo imasontsika'?43Noho izay volaniko aminareo, halay aminareo gny fanjakan'Andriamanitry sady hatolotry gny firenena izay mamokatry reo vihiny. 44Gna ia gna ia ro lavon'io vato io ho potipotiky. Fa izay hilatrahany koa ho ravarava."45Lafa nahare reo fanohara reo gny liehibe gny mpisoro sy reo Fariseo, ka azony ndreo fa mahakasiky andreo resaky igny. 46Nivetsivetry gny hisambotry Azy, nefa natahotry reo, satria nataon'olo ho mpaminany I.
Chapter 22

1Nivola tamy gny fanohara tamy ndreo ndraiky Jesosy, nanao hoe: 2"Gny fanjaka gny Lanitry ro mitovy amy gny fanjaka izay nanomana fanasana amy gny fampakaram-baly ho agny gny agnaky lahy. 3Gnaniraky reo mpanompony hikaiky reo zay nahazo fanambara hanatriky gny fety to-baly I, fa tsy nety ho avy reo.4Nandefa reo mpanompony hafa ndraiky gny mpanjaka, manao hoe: "Volano reo zay nanambara hoe: 'Henteo, fa namboariko gny hany. Fa novonoiko gny omby sy gny agnak'omby mifahako, sady fa vonona gny raha iaby. Miavia ao amy fety gny to-baly ao."'5Fe tsy nahondreo sady nandeha reo,gny raiky namonjy gny fiompiany, gny hafa tamy gny varotriny. 6Sasany amy ndreo nisambotry agny mpanompo gny mpanjaka reo, nangala baraka azy reo, sady namono azy reo. 7Nasiaky mpanjaka ka naniraky miaramilany, sady namono mpamono olo reo I, sady nandoro gny tanany.8Bakeo nivola tamy reo mpanompony I hoe: 'Fa vonona gny to-baly, fa reo zay nanambara ro tsy mendriky. 9Noho izay mandehana amy fgny sampanan-dalambe sady manambara olo maro araky zay hitanareo ho ao amy gny fety gny to-baly io.' 10Nandeha niboaky tan-dalam-be tegny mpanompo regny sady gnanambatry gny olo iaby zay hita ndreo, na gny soa gna gny raty. Noho izay feno vahiny gnazy efi-trano bevata nisy gny fampiakaram-baly .11Ka lafa nilitry mpanjaka mba hijery reo vahiny, nahita johary tsy nisiky ankajo fandesy amy gny to-baly I. 12Nivola taminy mpanjaka hoe: 'Namako, ino iliranao ato tsy miaraky amy gny fisiky fandesy amy gny to-baly?' tsy nahavola johary igny.13Bakeo nivola tamy reo mpanompony mpanjaka hoe: 'Fehezo tagnany voho gny tombokiny ity johary ty, sady atoraho amy gny maiziky agny amonto I, agny ro misy fitania sy fanekera hy.' 14Fa olo maro nikehy, nefa kelikely ro ho voafily.15 Bakeo nandeha reo fariseo sady nanoma gny fomba mety hamandriha agn'i Jesosy amy zay raha nivolaniny zay. 16Bakeo nirahindreo handeha Aminy agny mpianatry ndreo reo, niaraky tamy gnany Herodiana. Nivola tamin'i Jesosy reo hoe: "Ry mpampianatry, hainay fa marina Anao, sady mpampianatry gny lily Ndragnanahary amy gny marina. Tsy anananao asa gny hevitry gny hafa, sady tsy mijery milinga. 17Noho izay volano aminay, ino hevitrinao? Ara-dala va gny fandoava hetra agny amin'i Kaisara sa tsia?"18 Nefa azon'i Jesosy gny faharatia ndreo ka nivola hoe: "Nahoa no mitsapa ahy gnareo, ry mpihatsaravelatsihy? 19Amboaho Ahy gny farantsa amy gny hetra." Nanday denaria taminy reo.20Hoy Jesosy tamy ndreo hoe:"Agn'ia ty sary sy agnara ty?" 21Nivola taminy reo hoe: "Agn'i Kaisara." Bakeo Jesosy nivola andreo hoe: "Omeo agn'i Kaisara ze agn'i Kaisara, voho agn'Andriagnanahary ze agn'Andriagnanahary." 22Lafa re ndreo izay, ka tseriky. Sady niala teo Aminy reo ka nandeha.23Tamy zay andro zay avao gny Sadoseo sasany, reo zay nivola fa tsy misy fitsangana amy gny maty, gnamondry Azy. Gnanontany Azy reo, 24nanao hoe: "Ry mpampianatry, Mosesy nivola hoe: 'Laha maty gny olo, tsy mana agnaky, ka tokony hanambaly gny valiny gny rahalahiny sady hanan-agnaky ho agn'ny rahalahiny.25 Gnisy mpirahalahy fito. Gnanambaly gny voalohany ka maty bakeo. Roso tsy nanenga agnaky, nengany ho agn'ny rahalahiny gny valiny. 26Bakeo gnanao raha mitovy amy zay gny faharoa, bakeo gny fahatelo, manahaky zay avao hatramy raiky rahalahy fahafito. 27Tafara gny raha iaby reo,maty ampela igny. 28Ka amy gny fitsangana gny maty, ho vali gnia amy reo mpirahalahy fito I? Fa gnanambaly azy iaby reo."29 Fa namaly Jesosy sady nivola azy reo hoe: "Diso gnareo, satria tsy mahay gny Soratry Masina gna gny Herin-Dragnanahary.30Fa amy gny fitsangana gny maty ro sady tsy hanambaly reo no tsy omea ampakary. Fe koa, mitovy amy reo anjely an-danitry agny.31Ka mahakasiky gny fitsangana gny maty, mbo tsy novakianareo va zay nosafan-Dragnanahary taminareo, manao hoe: 32"Zaho ro Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, sady Andriamanitr'i Jakoba? Andriamanitry de tsy Andriamanitry gny maty, fa agn'gny velo." 33Lafa nahare izay reo vahoaky, ka tandre tamy gny fampianarany.34Ka lafa kasa gny reo Fariseo gny nampantsintsinan'i Jesosy gny Sadoseo,ka niaraky nivondro reo. 35Gny raiky tamy ndreo, mpahay lalana, nametra-panontania taminy, nangala fanahy Azy hoe: 36"Nao mpampianatry, ia ro bevata mare amy gny lily ao amy gny lalana?"37 Nivola taminy Jesosy hoe: "Tiavo amy gny fonareo iaby, amy gny fanahianareo iaby, voho amy gny sainareo iaby gny Tompo Andriamanitry nareo." 38Izay ro didy bevata sy voalohany.39 Sady gny didy faharoa mbo manahaky izay avao: 'Tiavo gny mpiara-belo aminareo manahaky gny vatanareo.' 40Amy reo didy roa reo ro iankina gny lalana iaby sy reo mpaminany."41 Sady laha mbo niara-nivondro reo Fariseo, nametra-panontania azy reo Jesosy. 42Hoy I hoe: "Ino ro eritreritry nareo momban'i Kristy? Agnaky lahin'ia I ?" Nivola tamy reo hoe: "Agnak'i Davida."43 Hoy Jesosy tamy ndreo hoe: "Nahoa sady Davida mipetraky ao amy gny Fanahy ro miakaiky Azy hoe Tompo, manao hoe: 44"Gny Tompo nivola tamy gny Tompoko hoe: 'Mipetraha eo amy gny tanan'ankavanako mandra-panaovako gny fahavalonao ho fipetrahan-tombokinao?'45Laha Davida aza nikaiky agn'i Kristy hoe: 'Tompo,' nahoa no maha agnak'i Davida Azy?" 46Tsy nisy nahavaly Azy tamy gny safa, sady tsy nisy olo nahasaky nametra-panontania hafa koa nanomboky tamy zay andro izay.
Chapter 23

1Sady Jesosy nivola tamy reo vahoaky sy reo mpianatriny. 2Hoy I hoe: "Reo mpanora-dalana sy fariseo ro mipetraky eo amy gny fipetrahan'i Mosesy." 3Noho izay gna ino gna ino handidian-dreo anareo ho atao, ataovo reo raha regny ka mitandrema azy reo. Fa ka alay tahaky gny asan-dreo, satria reo ro mivola raha nefa bakeo tsy manao azy.4 Eka, fehezin-dreo gny enta mavesatry zay sarotry andesy, bakeo apetraky ndreo eo amy gny soroky gny olo. Fa tsy hanetsiky gny ratsan-tanany reo gna handay azy reo. 5Manao gny asany iaby reo mba ho hitan'olo. Fe atao ndreo malalaky gny filakiterany, sady tarihy ndreo gny moron'akanjony.6 Tian-dreo gny toera gny manan-kaja agny amy gny fanasa voho gny toera gny lehibe ao amy gny synagoga, 7sy gny fiarahaba miavaky an-tsena egny, sady mba ho kehy gny olo hoe: 'Raby.'8Fa gnareo tsy azao kehy hoe: 'Raby,' fa raiky avao gny mpampianatry nareo,sady mpirahalahy gnareo iaby. 9Sady ka mikaiky olo an-tany ety hoe babanareo fa raiky avao gny Babanareo, sady I ro agny an-danitry. 10Gnareo ka mety ikehy hoe: 'Mpampianatry,' fa raiky avao gny mpampianatry nareo, i Kristy.11 Ka izay bevata mare aminareo ro ho mpanomponareo. 12Na ia gna ia manondrotry nainy dia ajotso, sady gna ia gna ia manjotso nainy ro hasondrotry.13Ka lozanareo, ry mpanora-dalana sy fariseo mpiahatsaravelatsihy! Fa arindrinareo amy gny olo gny fanjaka gny lanitry. Fa gnareo tsy mampilitry gny vatanareo, sady tsy enganareo reo zay ta hila hilitry. 14 [Fanamariha: Gny antotan-taratasy taloha ro tsy ahita gny fehezanteny hoe: 'Fa lozanareo, ry mpanora-dalana vohogny fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandany gny trano gny mpitondra tena, sady manao vavaky lavareny gnareo. Noho izay ro hahazo fanameloha bevata gnareo.] 15Lozanareo, ro mpanora-dalana sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa mandeha mitety gny riaky sy gny tany gnareo mba hampiova fo gny olo raiky, sady lafa miova I, ataonareo gny agnaky gny helo avo roa heny mihoatry noho gnanareo I.16 Lozanareo, reo mpitariky jamba, gnareo zay mivola hoe: 'Gna ia na ia mifanta amy gny tempoly, tsy misy dikany izay. Fa gna ia gna ia mifanta amy gny volamena gny tempoly, voafatotry gny fifantany I.' 17Gnareo jamba adala reo! Ia ro bevata mare, gny volamena sa gny tempoly zay manao gny volamena ho masy?18 Ka 'gna ia gna ia mifanta amy gny alitara ,tsy misy dikany izay. Fa gna ia gna ia mifanta amy gny fanatitry izay anabony izay,voafehy gny fifanta i'. 19Gnareo olo jamba! ia ro bevata mare, gny fanatitry sa gny alitara zay manao gny fanatitry ho masy?20Noho zay, izay mifanta amy gny alitara, ro mifanta amy izay sy amy raha iaby anabony eo. 21Gny raiky zay mifanta amy gny tempoly, ro mifanta amy izay sy amy zay mipetraky aminy ao, 22sady gny raiky zay mifanta amy gny lanitry, ro mifanta amy gny seza fiandrianan'Andriamanitry sy amy zay mipetraky anabony izay.23Lozanareo, nao mpanora-dalana sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa gny fahafolo gny solila sy gny aneta voho gny komina gnareo, fa gnareo ro tsy nanenky gny raharaha mavesatry lanja mare amy gny lalana, gny rariny sy gny famindram-po voho gny finoa. Fa reo no tokony nataonareo sady tsy tokony nenganareo ho tsy vita gny raiky hafa. 24Gnareo nao mpitariky jamba, gnareo zay manivaky gny lalitry nefa mitely rameva!25 Loza ho agnareo, reo mpanora-dalana sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo gny amonto gny kapoaku sy gny finga, nefa anatiny ao ro feno fitsiririta sy fila. 26Gnareo ry fariseo jamba! Diovo aloha gny ao anaty gny kapoaky sy gny finga, mba hanjary malio avao koa gny amonto.27 Loza ho agnareo, reo mpanora-dalana sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa gnareo ro manahaky gny lolo voalalotry foty; zay soa amonto, fa anatiny ao ro feno gny taolam-paty sy gny loto iaby. 28Mitovy anizay koa, amonto ety gnareo miseho ho marina amin'olo, nefa anatinareo ao feno fihatsaram-belatsihy sy heloky.29 Loza ho agnareo,reo mpanora-dalana sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa manory gny lolo gny mpaminany gnareo sady mampihamy gny lolo gny olo-marina. 30Hoy gnareo hoe: 'Laha niai tamy gny andro gny razambentsika ntsika, tsy ho nandramby anjara niaraky tamy ndreo tamy gny fandatsaha gny lio gny mpaminany ntsika.' 31Noho izay, mijoro vavolombelo amy gny vatanareo gnareo fa agnaky reo zay namono gny mpaminany.32Gnareo avao koa ro nahafeno gny fahota gny razambenareo. 33Gnareo bibilava io, gnareo taranaky gny menarana, ahoa ro handosiranareo gny fanameloha ho agny amy gny helo?34Noho zay, intoy, maniraky mpaminany sy olo hendry sady mpanora-dalana ho agnareo Aho. Gny sasany amy ndreo ho vonoinareo sy hahantonareo; voho gny sasany ho vangoinareo ao amy gny synagoganareo sady handroaky azy hiala ao an-tana. 35Gny vokatry gny zay ro hivaly anareo gny lio marina zay nalatsaky teto an-tany iaby, nanomboky tamy gny lion'i Abela marina, ka hatramy gny lion'i Zakaria agnak'i Barakia, zay novonoinareo tanelanela gny fitoera masy sy gny Alitara. 36Volaniko aminareo gny to, fa gny raha iaby ro ho avy amin'ity taranaky ty.37Nao Jerosalema, nao Jerosalema, anao zay mamono gny mpaminany sy mitora-bato zay irahy ho aminao! Impiry Aho ro maniry gny hamory gny agnakinao miaraky, manahaky gny akoho vavy raiky mamory gny agnak'akoho ambany elatry, nefa tsy nety gnanareo! 38Indroy, gny tranonareo ro henga ho lo ho agnareo. 39Fa volaniko aminareo, hatramy zao, tsy hahita Ahy tokoa gnareo mandraky ivolananareo hoe: 'Isaora anie zay avy amy gny agnara gny Tompo."'
Chapter 24

1Niboaky gny tempoly Jesosy sady nandeha. Namondry Azy mpianatriny reo mba hanoro Azy gny rafitry gny tempoly. 2Nefa namaly I sady nivola tamy ndreo hoe: "Tsy hitanareo va reo raha iaby reo? Volaniko marina aminareo, tsy hisy vato ho ravela amy gny raiky laha zay tsy ho rava."3 Laha nipetraky tan-tendrombohitr'Oliva I,namonfdry Azy moramora reo mpianatriny sady nivola hoe: "Volano agnay, ombia reo raha iaby reo to miseho? Ino ro famantara gny fiavianao sy gny fara-andro?" 4Namaly Jesosy sady nivola andreo hoe: "Mitaoa mba tsy hisy hamitaky gnareo." 5Fa ho maro gny ho avy amy gny agnarako. Sady hivola reo hoe: 'Zaho ro Kristy,' sady maro ro ho voafitaky.6 Hare aly sy tatitr'aly gnareo. Mitaoa mba tsy hitebiteby gnareo, fa tsy maintsy hiseho izay raha iaby zay; nefa tsy mbo avy gny farany. 7Fa hisy firenena hitsanga hanohitry firenena, voho fanjakana hanohitry fanjakana. Hisy mosary sy horohoron-tany amy gny toera samby hafa. 8Nefa izay raha iaby zay ro fanomboha gny fangotrokotroky gny fiteraha avao.9 Ka homen-dreo ho amy gny fahoria gnareo sady ho vonoy. Ho hala gny firenena iaby gnareo noho gny agnarako. 10Sady maro gny hisitry, voho hifamadiky sy hifankalay gny tsiraikiraiky. 11Mpaminany sandoky maro ro hitsanga ka hamitaky olo maro.12 Satria gny faharatsia ro hitombo,sady hihamangatsiaky gny fitiava gny maro. 13Fa gnazy raiky zay miaritry hatramy gny farany ro ho voavonjy. 14Ity gny safa soa gny fanjaka ty ro ho toria eraky gny zao tontolo zao ho vavolombelo amy gny firenena. Bakeo ro ho avy gny farany.15 Noho zay, laha mahita gny fahavetaveta gny fandrava gnareo, izay nivolanin'i Daniela mpaminany, hitsanga eo amy gny toera Masi gnareo" (ao gny mpamaky mba hahatakatry), 16"Ao reo zay a Jodia agny handositry ho an-bohitry agny, 17ao zay an-tampo trano ao tsy hijotro hangala raha baka an-tranony ao, 18sady ao zay an-tsaha agny tsy himpoly hangala siky.19 Fa loza ho agn'ireo zay bevoka sy mapinono amy zay andro zay! 20Mivavaha mba tsy ho amy gny manintsy gna amy gny Sabata ro hiseho gny fandosiranareo. 21Fa hisy fahoria bevata, izay tsy mbo hisy manahaky izay nanomboky am-panombohan'izao tontolo zao mandraky henany zao, aha, sady tsy hisy koa. 22Laha tsy afohezi reo andro reo, tsy hisy vata ho vonjea. Fa noho gny olo voafily, ro hamoheza andro reo.23 Ka laha misy olo mivola agnareo hoe: 'Intoy, ity gnazy Kristy' na 'Indroy gnazy Kristy' ka mino izay. 24Fa gny kristy sandoky sy gny mapminany sandoky ro ho avy sady hampiseho famatara bevata sy raha-mahatseriky, mba hamitaky, laha azo atao, eka fa gna reo olo vofily aza. 25Intoy, fa nivolaniko anareo mialoha gny fotoa.26 Noho izay, laha mivola agnareo reo hoe: 'Indroy, an-efitry agny I,' Ka mandeha agny an-efitry. Gna hoe: 'Indroy, anaty efitrano agny I' ka mino izay. 27Fa manahaky gny varatry zay mitselatry baka antinana ka mazava avy andrefa agny, manahaky zay gny fiavia gny Agnak'Olo. 28Gna ai gna ai misy biby maty, agny ro hivoriany gny votoro.29Sady laha vao afaky gny fahoria amy reo andro reo ka ho maiziky gny masoandro, tsy hanome gny hazavany gny vola, hilatsaky baka an-danitry agny gny basia, sady hihozongozo gny hery gny lanitry.30 Bakeo hiseho amy gny lanitry egny gny famantara gny agnak'Olo, sady gny foko iaby anabo gny tany hisao. Hahita gny Agnak'Olo ho avy amy gny raho gny lanitry miaraky amy gny hery sy voninahitry bevata I. 31Handefa reo anjely I miaraky amy gny feo trompetra mare, sady hanango gny olo voafily avy amy gny vazan-tany efatry reo, manomboky amy gny faravodilanitry ka hatramy gny hafa.32 Mianara gny lesona baka amy gny aviavy. Laha vatany vo matoy gny sampana sady mamoaky gny raviny, ataovo hay fa mariniky gny asara. 33Manahaky izay koa, laha mahita izay raha iaby izay gnareo, tokony ho hainareo fa mariniky I, eo amy reo vavahady mihintsy.34Volaniko aminareo marina, fa tsy ho lany ty taranaky ty mandraky isehoan'izay raha zay. 35Tsy hisy koa gny lanitry sy gny tany, fa gny safako ro tsy mba ho levo mandrakizay.36Kanefa gny mahakasiky izay andro sy ora zay ro tsy misy mahay, gna gny Anjeli gny lanitry aza, gna gny Agnaky lahy, fa gny Baba avao.37 Manahaky tamy gny andron'i Noa,manahak'izay avao koa gny fiavia gny Agnak'Olo. 38Fa manahaky tamy gny andro mialoha gny safo-drano ro nihina sy nino reo,nanambaly sy nampiakatry mandra-pihaviny gnazy andro nidiran'i Noa tao anaty sambo, 39sady tsy nahay gna ino gna reo mandra-pihaviany gny safo-drano ka nandripaky andreo iaby, manahaky izay gny fiavia gny Agnak'Olo.40 Bakeo hisy lehilahy roa an-tsaha egny, gny raiky ho raisy, fa gny raiky ho enga. 41Ampela roa mandisa vary, gny raiky ho raisy,gny raiky ho enga. 42Noho izay ka miambena, fa tsy ho hainareo izay andro hiavia gny Tomponareo.43 Ataovo hay zao, laha hay gny tompon-trano hoe amy gny firy aliky ro hiavy gny mpangalatry, ka ho naimby I sady tsy nengany gny tranony ho vaky. 44Noho izay ro tsy maintsy mivono avao koa gnareo, fa ho avy gny Agnak'Olo amy gny lera tsy ampoizinareo.45 Ka ia moa gnazy mpanompo mahatoky sy hendry zay notendre gny tompony hanapaky gny fianakaviany mba hanomeza azy reo gny hany ndreo amy gny fotoa mety? 46Sambatry izay mpanompo izay, zay hiata gny Tompony fa manao izay lafa avy I. 47Volaniko aminareo marina fa gny tompony no hanapaky azy ho anambo gny raha iaby izay ananany.48 Ka laha misy mpanompo raty mivola am-pony hoe: 'Ela fiavy gny tompoko,' 49ka manomoboky mamono reo manompo namany, sy mihina voho mino miaraky amy reo mpimamo; 50ho avy gny tompony gnazy mpanompo amy gny fotoa zay tsy ampoiziny voho amy gny lera zay tsy hainy. 51Ka ho tapatapahy gny tompony I sady ho ataony manahaky reo mpihatsaravelatsy gny anjarany, izay hisy gny fitania sy gny fanenkera-hy.
Chapter 25

1Gny fanjaka gny lanitry ka manahaky gny virjiny folo zay gnagala gny jirony ka nandeha tamy gny mpampakatry. 2Adala gny dimy tamy ndreo fa gny dimy koa mahitry. 3Sady lafa nanday gny jirony reo virjiny adala,tsy nanday soliky niaraky taminy. 4Fa reo virijiny mahitry koa, nanday fanajaria soliky niaraky tamy gny jirony.5Ka lafa tara gny mpampiakatry, dangon-joro reo iaby ka niroro. 6Fa tamy gny sasak'aly, nisy nikaiky mare hoe: "Indroy, gny mpampiakatry! Miboaha mba hifanojo aminy."7Bakeo niary reo virijiny iaby ka nikarakara gny jirony. 8Hoy reo adala tamy reo adala mahitry hoe: "Mba omeo ampahany amy gny soliky nareo zahay fa ho naty jironay. 9Fa namaly gnazy mahitry ka nivola hoe: "Tsony tsy ho ampy ho agnay sy ho gnareo, fa mandehana agny amy reo mpivarotry ka miviliana ho agny vatanareo."10Laha nandeha nivanga reo, avy mpampiakatry, ka gnazy fa vono ro niaraky nandeha taminy ho ao amy gny fanokoa mbaly, ka nihily gny vavahady. 11Lafa afaky izay, avy avao koa reo virijiny sasany ka nivola hoe: "Tompoko, Tompoko, mba vohao zahay." 12Ka namaly I ka nivola hoe: "Volaniko aminareo marina io, tsy mahay agnareo aho." 13Ka noho zay miambena,fa tsy hainareo gny andro gna gny lera.14Ka izay, manahaky gny lehilahy raiky zay handeha ho agny amy gny firenena hafa. Nikaiky mpanompony I ka nampitanta azy reo gny hananany. 15Gny raiky tamy ndreo nomeny talenta dimy, gny raiky hafa nomeny roa,nvoho gny raiky koa nomeny talenta raiky. Gny tsiraikiraiky samby nandramby talenta arak'izay fahaizany, sady nandeha tamy gny liany amy gny zay lehilahy. 16Gny raiky zay nahazo talenta dimy ro nandeha teo noho eo ka nampiasa azy sady nahazo talenta dimy hafa.17Manahaky zay koa raiky nahazo talenta roa nahazo roa hafa. 18Fa gnazy mpanompo raiky zay nahazo talenta raiky igny koa, nandeha ka nangaly lavaky tamy gny tany, sady nandevy gny vola gny tompony.19Lafa ela gny fotoa ka nimpoly tompo gny mpanompo reo sady nandamy ndraha tamy ndreo. 20Nilitry gnazy mpanompo zay nahazo talenta dimy no sady nanday talenta dimy hafa. Hoy i hoe: "Tompoko, nomeanao talenta dimy aho. Intoy, gnanatombo talenta dimy hafa zaho." 21Hoy gny tompony taminy hoe: "Soa izay, mpanompo soa sady mahatoky! Nahatoky tamy gny raha kelikely anao. Zaho hampiandraikitry anao amy gny raha maro. Milira amy gny fifalia gny tomponao."22Gnazy mpanompo zay nahazo talenta roa namondry sy nivola hoe: "Tompoko, nomeanao talenta roa aho. Intoy, gnanatombo talenta roa hafa aho." 23Hoy gny tompon taminy hoe: "Soa izay, mpanompo soa sady mahatoky! Nahatoky tamy gny raha kelikely anao. Zaho hampiandraikitry anao amy gny raha maro. Milira amy gny fifalia gny tomponao."24Avy gnazy raiky mpanompo zay nahazo talenta raiky namondry no sady nivola hoe: "Tompoko, haiko fa lehilahy hentitry anao. Mijinja amy zay tsy namafazanao, no sady mamory vokatry amy zay tsy nambolenao. 25Gnatahotry zaho, ka nandeha sady namony gny talentanao tanaty tany tao. Heteo, intoy zay nanao."26Ka namaly azy gny tompony ka nanao taminy hoe: 'Iha ry mpanompo raty sady malay, haiko fa zaho mijinja egny amy zay tsy namafazako sy mamory vokatry amy zay tsy namboleko. 27Noho zay tokony nomenao gny mpanjana-bola gny volako, ka lafa avy aho, nalaiko nahy miaraky amy gny tombony.28Noho izay alao aminy agny talenta zao, omeo ho gnany raiky mpanompo zay mana talenta folo izay. 29Fa zay iaby mana ro homea marere kokoa-mihoatry lavitry aza. Fa ho agny reo zay tsy mana gna ino gna ino koa, gna izay hananany aza ho alay aminy. 30 Ario amy gny maiziky amonto agny mpanompo tsy mendriky, agny ro misy gny fitania sy gny fararia-hy.31Ka lafa avy amy gny voninahiny gny Agnak'olo sy gny anjely iaby miaraky Aminy, hipetraky eo amy gny seza fihandrihana gny voninahitriny I. 32Sady gny firenena iaby ro havory alohany eo, sady hanavaky gny olo raiky amy raiky hafa I, manahaky gny mpiamby ondry manavaky gny ondry amy gny osy. 33Hametraky gny ondry ho eo ankavanany I, fa gny osy eo ankaviany.34Sady gny mpanjaka hivola amy ndreo zay eo an-tanana ankavanany hoe: 'Avia,gnareo zay notahia gny Babako, mandova gny fanjaka zay fa voaoma ho anareo fa izay nanorena agny zao raha iaby zao. 35Fa mosary Aho ka nomenareo hany; nangetaheta Aho ka nomenareo hinomy; nivahiny Aho ka nampandrosoinareo; 36Tsy an-tsiky Aho ka nampisikininareo; narary Aho nokarakarainareo; sady tan-gadra Aho ka nandeha Amiko Agny gnareo.'37Ka reo marina hamaly sy hivola hoe: 'Tompo,ombia zahay ro nahita Anao mosary ka namaha Anao? Gna nangetaheta ka nampinominay? 38Ombia Iha ro hitanay nivahiny ka nampandrosoinay? Gna tsy nisiky ka nampisikininay? 39Ombia zahay ro nahita Anao narary gna nigadra ka nandeha aminao agny?' 40Ka gny mpanjaka namaly sady nivola andreo hoe: 'Volaniko aminareo marina io, zay nataonareo tamy reo rahalahiko maliniky mare regny, ro nataonareo tamiko.'41Sady nivola amy reo zay eo ankaviany hoe: 'Miala amiko, Gnareo zay voahozo, ho agny amy gny motro mirehitry mandrakizay zay fa voaoma ho agn'ny devoly sy reo anjeliny, 42satria mosary Aho, fa tsy nomeanareo hany, nangetaheta Aho, fa tsy nomeanareo hosotroy; 43 nivahiny Aho, fa tsy nampandrosoinareo; nitanjaky Aho, nefa tsy nampisikininareo; narary sy tan-gadra Aho, fa tsy nokarakarainareo.'44Ka namaly koa reo sady nivola hoe: 'Tompo! Ombia zahay ro nahita Anao mosary, gna gnangetaheta, gna nivahiny, gna tsy nisiky, gna narary, gna tan-gadra, ka tsy gnanompo Anao? 45Ka I hamaly andreo sady hivola hoe: "Volaniko aminareo marina, fa izay tsy nataonareo tamy raiky tamy reo maliniky reo, ro tsy nataonareo tamiko." 46Reo ro halefa ho ao amy gny fanasazia mandrakizay fa reo marina koa ao amy gny fiaina mandrakizay."
Chapter 26

1Lafa vitan'i Jesosy izay safa iaby izay, nivola tamy reo mpianany I hoe: 2"Hainareo fa afaky roa andro ho avy gny Paska, sady hatolotry hahanto amy gny hazofijalia gny Agnak'olo."3Bakeo gny lehibe gny mpisoro voho gny loholo niaraky nivory tao amy gny lapa gny mpisoro-be, zay kehy hoe Kaiafa. 4Niaraky gnanao tetiky reo mba hisambora moramora agn'i Jesosy sady hamono Azy. 5Fa hoe reo hoe: "Tsy amy gny fety, mba tsy hisiany gny fiolavan'olo."6Ka Jesosy lafa ta Betania tao an-tranon'i Simona boka, 7laha nipetraky nihina tamy gny latabatry, ka nisy ampela raiky gnana tavoara alabastara feno menaky lafo vily gnamondry Azy, ka nandraraky izay tamy gny lohany. 8Ka lafa hita ndreo mpianatry izay, ka nasiaky reo ka nanao hoe: "Ino ro antony fandania zao? 9 Afaky navarotry lafo sady nomea reo mahantra io."10Ka Jesoy, nahay izay, nivola azy reo hoe: "Nahoa gnareo ro sahiran-tsay an-drampela io? Fa raha soa ro nataony tamiko. 11Eo aminareo isan-kariva gny mahantra, fa Zaho ro tsy ho eo aminareo isan-kariva.12Ka lafa nandraraky izay menaky manitry izay tamy gny vatako I, nataony ho agny gny fandevena Ahy izay. 13Volaniko aminareo marina, gna ia gna ia hitoria gny safa soa eto amy zao tontolo iaby zao, izay nataon'ity ampela ty ro ho volany koa ho fahatsiarova azy."14Bakeo raik tamin-dreo roa ambinifolo zay nikehy hoe Jodasy Iskariota, nandeha amy gny lehibe gny mpisoro 15sady gnanao hoe: "Omenareo ohatrino aho fanolorako Azy aminareo?" Nandanja volafoty maliniky telopolo reo ho azy. 16Tamy zay fotoa izay ro nila fahafaha I mba hanolora Azy amin-dreo.17Tamy gny andro voalohany gny mofo tsy misy lalivay ka gnamondry agn'i Jesosy reo mpiantry ka nivola hoe: "Aia ro tianao hanomananay ho anao hihinana gny hany gny paska?" 18Gnamaly I hoe: "Milira an-tanana ao misy johary raiky zay ka volano i hoe: 'Hoy Mpampianatry hoe: "Fa mariniky gny fotoanako. An-tranonao ato Aho ro hanao gny paska miaraky amy reo mpianatriko.""' 19Gnataony reo mpianatry araky zay nandidian'i Jesosy izay, sady nanoma gny hany gny paska reo.20 Lafa avy gny hariva, ka nipetraky nihina niaraky tamy gny mpianatry roa ambiny folo I. 21Ka lafa nihina reo, ka hoy I hoe: "Volaniko aminareo marina fa hisy raiky aminareo hamadiky Ahy." 22Nalahelo reo sady nanomboky nanontany Azy gny tsiraikiraiky hoe: "Tsy ho zaho mihitsy, Tompo?"23Namaly I hoe: "Zay niaraky nanatsoboky gny tanany tamiko tanaty finga ro raiky zay hamadiky Ahy. 24Handeha gny Agnak'Olo, araky izay fa voasoratry momba Azy. Nefa loza gny olo izay hamadiky gny Agnak'Olo! Soa mare ho agn'izay olo izay gny tsy teraky." 25Jodasy, zay hamadiky Azy nivola hoe: "Zaho va izay, Raby o?" Hoy I taminy hoe: "Voalazanao."26Laha mbo nihina reo, ka nangala gny mofo Jesosy, nisaotry, sady gnanapaky izay. Nomeny reo mpianatry sady nivola hoe: "Rambeso,hano. Ity ro vatako."27 Nandramby gny kapoaky I ka nisaotry sady nanome azy andreo ka nivola hoe: "Gnareo iaby, inomo ty. 28Fa ity gny lio gny fanekem-pihavana arotsaky ho agny maro ho famelan-keloky. 29Fa volaniko aminareo fa tsy mba hino gny vokatry gny voaloboky koa Aho, mandraky hiavia gny finoma vaovao hiarahako aminareo agny amy gny fanjaka gny Babako."30Lafa niantsa hira fidera reo, ka nandeha tagny amy gny vohitr'i Oliva. 31Bakeo hoey Jesosy tamy ndreo hoe: "Gnareo iaby ro hanenga Ahy noho gny amiko anio haliky, fa voasoratry hoe: "Hamango gny mpiamby ondry Aho ka hiparitaky gny ondry." 32Ka afarany gny fitsanganako amy gny maty, ro hialoha lala agnareo a Galilia agny."33Fa Petera nanao taminy hoe: "Na hanenga noho gny aminao aza rozy iaby, zaho tsy mba hanenga mihintsy." 34Hoy Jesosy taminy hoe: "Volaniko marina aminao, fa anio haliky laha mbo tsy mitoreo akoho, ka handa Ahy intelo iha." 35Petera nivola taminy hoe: "Gna tsy maintsy ho maty miaraky aminao aza zaho,tsy hanenga anao." Manahaky izay iaby novolan-dreo mpianatry hafa.36Jesosy nandeha niaraky tamy ndreo nandeha amy gny toera kehy hoe Getsemane sady nivola tamy gny mpianatriny hoe: "Mipetraha eto fa Zaho mbo handeha eroy hivavaky." 37Nandesiny Petera voho agnak'i Zebedio roa lahy ka nanomboky nalahelo sy mangonotry. 38Bakeo hoy I tamy ndreo hoe: "Mijaly gny fanahiko, manahaky gny fa ho maty. Mipetraha eto sady miambena miaraky amiko."39Nisitaky tseky I, niondriky sady nivavaky. Hoy I hoe: "Babako, laha azo atao, alao amiko kapoaky ty. Fe, ao tsy araky gny sitrapoko, fa gny sitraponao." 40Gnamondry reo mpianatry I sady nahita azy reo niroro, ka hoy I tamin'i Petera hoe: "Ino, tsy mahavita miamby miaraky amiko gna lera raiky aza va gnareo? 41Miambena sady mivavaha mba tsy ho azo gny fakam-panahy gnareo. Mety avao gny fanahy, fa gny nofo ro malemy."42Mbo nandeha fanindroany I sady nivavaky. Hoy I hoe: "Babako, laha tsy azo alay amiko raha ty laha tsy mino Aho,ho atao agnie gny sitraponao." 43Nimpoly ndraiky I sady mbo nahita andreo natory, fa navesatry mason-dreo. 44Ka nanenga andreo ndraiky I, nandeha sady nivavaky fanintelony, nivola reo safa reo avao.45Bakeo Jesosy namondry reo mpianatry ka nanao tamdreo hoe: "Mbo matory sy mangala mokkotry va gnareo? Henteo, fa mariniky lera, sady gny Agnak'Olo ro hatolotry an-tanany reo mpanota. 46Mitsangana, ndao ntsika. Jereo, fa mariniky raiky hamadiky Ahy."47Laha mbo nivola I, avy Jodasy, raiky amy reo roa amby folo. Gnisy vahoaky maro avy niaraky taminy baka amy gny lehibe gny mpisoro sy reo loholo. Avy niaraky tamy gny meso sy langilangy reo. 48Sady nanome famantara an-dreo raiky lehilahy hamaliky agn'i Jesosy, manao hoe: "Izay horofako, ro I. Samboro I."49Teo noho eo avao, namondry agn'i Jesosy I sady nivola hoe: "Finaritry, Raby!" Sady nanoroky Azy I. 50Hoy Jesosy taminy hoe: "Nao nama, ataovo zay nandehananao eto." Bakeo aby reo, nanondro tana agn'i Jesosy, sady nisambotry Azy.51Indroy, raiky tamy reo niaraky tamin'i Jesosy nanonjo gny tanany, nanatsoaky gny mesony, nanapaky gny mpanompo gny mpisorobe, ka nahafaky sofiny. 52Bakeo hoy Jesosy taminy hoe: "Ampolio amy gny toerany mesonao, fa reo zay mandramby meso ro ho vonoy amy gny meso. 53Mieritreritry va nareo fa tsy afaky miakaiky agny Babako Zaho, sady I afaky mandefa ho Ahy tafik'anjely mihoatry noho gny roa ambi folo? 54Fa atao akory izay ro hahatanteraky gny Soratry Masina, izay mivola fa tsy maintsy hiseho izay?"55 Tamy zay andro zay Jesoy nivola tamy vahoaky hoe: "Avy miaraky amy gny meso sy langilangy hisambotry Ahy manahaky dahalo va gnareo? Isan'andro Zaho mipetraky tan-tempoly teo, fa tsy nosamborinareo. 56Fa iza iaby zay ro niseho mba hahatanteraky zay voasoratry ndreo mpaminany." Bakeo nanenga Azy mpianatry iaby regny nilay.57Nandesy ndreo tagny amin'i Kaiafa mpisorobe Jesosy, zay nivoria ndreo mpanora-dalana sy loholo. 58Fa Petera nanaraky Azy baka lavitry nandeha amy gny kianja gny mpisorobe. Nilitry tanatiny I sady nipetraky niaraky tamy reo mpiamby raharaha mba hahita izay hiafarany.59Ka reo lehibe gny mpisoro sy reo Synedriona iaby nila fiampanga tsy marina manohitry agn'i Jesosy, mba mety ahafaha ndreo mamonon Azy. 60Tsy nahita gna ino gna ino reo, na nisy mpijoro vavolombelo maro tsy marina avy aza teo. Lafa kelikely teo nisy roa avy namondry reo 61sady nivola hoe:"Io johary io ro nivola hoe: 'Afaky mandrava gny tempolin-Driagnanahary Aho sady mananga izay ndraiky afaky telo andro."'62 Nitsanga raiky mpisorobe ka nanao taminy hoe: "Tsy mana havaly va Iha? Ino zay hiampanga ndreo Anao izay?" 63 Fa nangina Jesosy. Hoy mpisorobe taminy hoe: "Mandidy Anao amy gny alalan-Dragnahary velo aho, volano aminay la Iha ro Kristy,Agnak'Andriagnanahary." 64Jesosy namaly azy hoe: "Voasfanao. Fa volaniko aminareo, manomboky zao ho hitanareo gny Agnak'Olo hipetraky an-tagna ankavana gny Hery, sady ho avy amy gny raho gny lanitry."65Bakeo gny mpisorobe nanataky ankajony sady nivola hoe: "Nisafa raty I! Manino ntsika ro mbo mila mpijoro vavolombelo?Intoy, renareo gny safa raty zao. 66Ino ro hevitry nareo?" Namaly reo sady nanao hoe: "Mendriky gny ho maty I."67Bakeo reo nadorta agny terhiny voho namango Azy, sady namofoky tampify Azy, 68sady nanao hoe: "Maminania aminay, Kristy. Ia ro namango Anao?"69Sady Petera nipetraky amonto gny kianja, sady nisy mpanompo vavy avy namondry azy nivola hoe: "Iha koa niaraky tamin'i Jesosy gny Galilia." 70Fa nanda izay teo aloha ndreo I, manao hoe: "Tsy haiko zay resakinareo zay."71Lafa niboaky gny vavahady I,nisy mpanompo vavy hafa nahita azy sady nivola tamy ndreo teo hoe: "Ity johary ty avao koa ro niaraky tamin'i Jesosy baka agny Nazareta." 72Mbo nanda ndraiky I niaraky tamy gny fianiana hoe: "Tsy haiko izay johary izay!"73Lafa afaky kelikely nanontany reo zay nitsanga teo sady nivola tamin'i Petera hoe: "Iha avao koa ro tena raiky amy gny regny, fa gny fomba fisafanao ro mamototry anao." 74Bakeo nanomboky nanoro sy nifanta ka nanao hoe: "Tsy haiko zao johary zay." Sady teo no eo ro nitoreo gny akoho. 75Tiaron'i Petera gny safa nambaran'i Jesosy hoe: "Mbo tsy mitoreo akoho handa Ahy intelo iha." Bakeo I nivoaky sady nitany mare.
Chapter 27

1Lafa niavy maraindray, nitetiky hanohitry agn'i Jesosy mba hamono Azy reo lehibe gny mpisoro sy gny loholo iaby. 2I reo namatotry Azy, nitariky Azy tamonto agny, sady nanolotry Azy tamin'i Pilato governora.3Sady Jodasy, gnazy namadiky Azy, lafa nahita fa voaheloky Jesosy, nibebaky I sady nanampoly agny volafoty telopolo tamy reo lehibe gny mpisoro sy reo loholo, 4 sadynivola hoe: "Gnanota aho tamy gny namadihako lio tsy manan-tsiny." Fa reo nivola hoe: "Ahoanay ino? Nanao zay." 5Ka natorakiny tao an-tempoly volafoty reo sady nandeha, bakeo nananto gny vatany I.6Reo mpisoro bevata nangala volafoty reo sady nivola hoe: "Tsy araky gny lily gny mametraky ity ao amy gny fanajariam-bola, satria ity vilin-dio." 7Niaraky niresaky gny olana reo sady nivily gny saha gny mpanao vilany tanimanga zay handevena reo vahiny tamy reo vola. 8Sady zay no antony nikeha azy saha zany hoe: "Saha gny lio" mandraky androany.9Sady tanteraky gny safa nivolany tamy gny mpaminany Jeremia, manao hoe: "Nangala gny volafoty telopolo reo, viliny nanombana reo vahoky Israely Azy, 10sady i reo nanome zay ho agny gny saha gny mpanao valany tanimanga, araky gny natoro gny Tompo ahy."11Sady Jesosy nintsanga taloha gny governora, bakeo governora nanontany Azy hoe,"Anao va ro mpanjaka ndreo Jiosy?" Jesosy namaly azy hoe: "Voalazanao." 12Fa lafa nasara ndreo mpisoro lehibe gny sy reo loholo I,ka tsy namaly na ino na ino. 13Ka nivola taminy Pilato hoe: "Tsy renao va gny fiampanga iaby atao aminao?" 14Fa tsy namaly na safa raiky aza I, tseriky mare agny raha zay ny governora.15Sady isaky gny fisinisinia fomba gny governora gny mamototry gadra raiky voafily gny vahoaky. 16Tamin'io fotoa io gnana gadra malaza raty nikehy hoe Barabasy reo.17Noho zay lafa gniaraky nivory reo,hoy Pilato tamy ndreo hoe: "Ia ro tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy zay kehy hoe Kristy?" 18Hainy fa noho gny fialona ro gnanolora ndreo agn'i Jesosy taminy. 19Laha nipetraky teo amy gny seza fitsara I, ka nandefa safa amy gny valiny voho nanao hoe: "Tsy mana na ino na ino atao amy gny lehilahy tsy manan-tsiny tya aho. Fa mijaly loatry ao androany noho gny nofy azoko momba Azy."20Sady reo mpisoro lehibe sy reo loholo nandresy lahatry gny vahoaky mba hangataky agn'i Barabasy, sady hampamono agn'i Jesosy. 21Gnanontany azy reo gny Governora hoe: "Ia amy ndreo roa ro tianareo halefako ho anareo?" Hoy reo hoe: "Barabasy." 22Pilato nivola tamy ndreo hoe: "Ino ro tokony ataoko amin'i Jesosy zay kehinareo hoe Kristy?" Reo iaby namaly hoe: "Fantsiho amy gny hazofijalia I."23Ka hoy I hoe: "Manino, ino ro heloky nataony?" Fa voho maiky reo nitoreo mare hoe: "Fantsiho amy gny hazofijalia I." 24Ka lafa hitan'i Pilato fa tsy afaky hanao na ino na ino I, kanefa fa nanomboky gny tabataba, nangala rano I, nanasa gny tanany taloha gny fokonolo teo, sady nanao hoe: "Tsy manan-tsiny amy lio inty johary tsy manan-tsiny inty aho. Fa asakasakinareo zay."25Reo olo iaby nivola hoe: "Ho aminay sy gny gnanakinay gny liony." 26Ka nalefany ho an-dreo Barabasy, fa namango pilatsy agn'i Jesosy I voho nanome Azy ho fantsihy.27Bakeo reo miaramila gny governora nangala agn'i Jesosy ho ao an-dapa sady namory reo vondro gny miaramila iaby. 28Nangala gny sikiny reo sady nampanao ankajo jaky Azy. 29Gnanambotry sabaka mboninahitry fatiky reo sady mametraky izay tan-dohany, sady nametraky tehy tamy gny tanany ankavana. Gnandohaliky tanatrehany reo sady nisotraky Azy, nanao hoe: "Arahaba, ry mpanjaka gny Jiosy!"30Norofan-dreo I, sady nalain-dreo tehy ka navango Azy im-peno tamy gny lohany. Lafa bakeo nanevoky Azy reo, ka gnangala siky 31lavany sady nampisiky Azy gny sikiny, voho nanday Azy niboaky mba hamantsiky Azy amy gny hazofijalia.32Lafa niboaky reo, ka nahita johary raiky baka a Syrena kehy hoe Simona, zay notere ndreo hiaraky amy ndreo mba hampilanjai agny hazofijaliany. 33Nandeha amy gny toera atao hoe Golgota reo, zay midika hoe" Toera gny Karandoha." 34Nome ndreo divay mifangaro amy gny afero I mba hinominy. Ka lafa nandramany zay, tsy nihiho I.35Lafa nofantsihy ndreo tamy gny hazofajalia I, ka natao ndreo loka gny fizara reo fisikiny, 36sady nipetraky reo voho nijano niamby Azy. 37Tanabo gny lohany ro nametraha ndreo soratry manao hoe gny nanameloha Azy,zay mivaky hoe: "Ity ro Jesosy,mpanjaka ndreo Jiosy."38Gnisy dahalo roa nofantsihy niaraky taminy, gny raiky tan-kavana voho gny raiky ankavia. 39Ireo zay gnandalo ro nanevateva Azy, nanozongozo gny kabesony reo 40sady nanao hoe: "Anao zay handrava gny tempoly voho hanamboatry azy ndraiky anaty telo andro, vonjeo gny vatanao! Laha Anao ro Agnak'Andraignanahary, mijotroa bakeny amy gny hazofijalia!"41Manahaky agnizay koa reo mpisoro lehibe nanevoky Azy, niaraky tamy reo mpanora-dily sy reo loholo, sady nivola hoe: 42"Gnanavotry agny hafa I, fa tsy afaky manavotry gny vatany. I ro mpanjakan'Israely. Engao I hijotro baka amy gny hazofijalia egny, zay vo hino Azy isika.43Gnatoky an'Andriagnanahary I, engao Andriagnanahary hamonjy Azy zao, laha mankasitraky gny hanafaky Azy Andriagnanahary. Fa na I aza ro nivola hoe: "Zaho ro Agnak'Andriagnanahary." 44Manahaky izay koa reo dahalo izay nofantsihy niaraky taminy nisafa fanambanimbania taminy koa.45Lafa nanomboky tamy gny ora faha tsota, nandrakotry gny tany iaby gny aiziky ka hatramy gny ora fahasivy. 46Tamy gny ora fahasivy, nitoreo tamy gny feo mare Jesosy sady nanao hoe: "Ely,Ely, lama sabaktani?" Zay midika hoe: "Andriamanitry, Andriamanitry, nahoa no nanenga Ahy Anao?" 47Lafa re gny sasany reo zay nitsanga teo zay, ka hoy reo: "Mikaiky agn'i Elia I."48Teo no eo nialy gny raiky tamy ndreo sady nangala spaonjy, nando azy tamy gny vinaingitry, nametraky azy tamy gny tohitohi bararata, sady nanome Azy mba hinominy. 49Gny sasany tamy ndreo nivola hoe: "Engao I. Hitantsika eo laha ho avy hamonjy Azy Elia." 50Ka nitoreo tamy gny feo mare ndraiky Jesosy sady nanolotry gny fanahiny.51Hentea, siky gny tempoly niriatry roa baka anambo ka hatramy gny Ambany, sady nihorohoro gny tany, sady vaky sasaky vatolampy regny. 52Gnisokatry reo lolo, sady gny faty gny reo olon'Andriagnanahatry maro zay maty ka natsanga. 53I reo ro niboaky bakao amy gny lolo tafarany gny fitsanganany tamy gny maty, nilitry gny tana masy, sady niseho tamy gny maro.54Sady reo Kapiteny sy reo zay nijery agn'i Jesosy lafa nahita gny horohoron-tany sy reo raha zay niseho, ka nandrary natahotry mare sady nanao hoe: "Agnak'Andriagananahry vatany ty." 55Gnisy Ampela maro zay nanaraky agn'i Jesosy baka Galilia mba hikarakara Azy teo nijery baka lavitry egny. 56Tamy ndreo teo Maria Nagdalena, Maria Nenin'i Jakoba sy Josefa, voho gny neni ndreo agnak'i Zebedio.57Lafa hariva gny andro, nisy johary raiky mana-karea baka agny Armatia niavy, nikehy hoe Josefa, zay mpianatr'i Jesosy avao koa. 58Namondry agn'i Pilato I sady nangataky gny fatin'i Jesosy. Ka nobaikon'i Pilato omea azy zany.59Nangala agny faty igny Josefa, namono azy tamy gny siky rongony malio, 60sady nampandry azy tamy gny lolony vaovao zay nolavaha tamy gny vatolampy. Ka nanosiky vato bevata hibaha agny varavara gny lolo i sady niboaky. 61Maria Magdalena sy reo Maria hafa ro teo, nipetraky tanilany lolo teo.62Andro manaraky, gnazy andro afara gny Fanomana, niaraky nivory tamin'i Pilato reo lehibe gny mpisoro sy reo Fariseo. 63Hoy reo hoe: "Tompoko, tiaronay fa tamy gny mbo velo igny mpamitaky igny, ka zao safany hoe: "Afara gny telo andro, hitsanga ndraiky Aho." 64Ka noho zay, mandidia mba ho ambena gyny lolo hatramy gny andro fahatelo, laha tsy zay gnazy mpiantriny mety ho avy sady hangalatry Azy ka hivola amy olo hoe: "Nitsanga tamy gny maty I," sady gny fitaky farany ro ho raty noho raiky tamy gny voalohany."65Hoy Pilato tamy ndreo hoe: "Mangala mpiamby. Mandehana sady ambeno soa araky zay vitanareo izay." 66Ka nandeha reo sady niamby gny lolo, nanisy tombo-kase gny vato voho nametraky gny mpiamby.
Chapter 28

1Lafa tamy gny aliky gny Sabata, laha iny gnanomboky maiziky kelikely gny andro voalohany amy gny herinandro, roso gnandeha nijery agny lolo igny Maria Magdalena voho raiky Maria hafa igny. 2Hentea, gnisy horohoron-tany mare, ka gny anjely gny Tompo ro nijotro baka agny an-danitry, avy sady gnanodikody agny vato, noho sady nipetraky tanabo teo.3Gny sorakiny manahaky gny tselatry, sady gny akanjony foty manahaky gny oram-panala. 4Gnavozo gnazy mpiamby ka nanjary nanahaky gny lehilahy maty.5Gnisafa tamy ampela reo anjely igny sady nivola tamy ndreo hoe: "Ka mavozo, haiko fa mila agn'i Jesosy gnareo, gnazy nofantsihy tamy gny hazofijalia. 6Tsy ato I, fa nitsanga, araky gny fa gnosafainy. Avia henteo gny toera zay nandria gny Tompo. 7Mandehana malaky sady volano reo mpianany hoe: "Nitsanga tamy gny maty I. Indroy, fa gnandeha aloha nareo a Galilea I. Agny ro hahitanareo Azy." Indroy, fa gnivolaniko taminareo."8Gnanenga malaky agny lolo igny sady tamy tahotry voho tamy gny hafalia bevata ampela regny, sady nilay mba hivola agny mpianany. 9Hentea, nifanojo tamy ndreo Jesosy sady nivola hoe: "Arahaba!" Gnamondry ampela regny, nitandraky agny tombokiny sady nidera Azy. 10Lafa bakeo Jesosy nivola tamy ndreo hoe: "Ka mavozo. Mandehana mivola amy reo rahalahiko mba hiala ka handeha a Galilia. Agny ro hahita ndreo Ahy."11Laha mbo gnandeha igny ampela regny, hentea, gny sasany tamy reo mpiamby gnandeha amy gny tana bevata agny sady nivola tamy gny loha gny mpisoro gny raha iaby zay niseho. 12Lafa gnifanojo tamy reo loholona gny mpisoro sady niresaky momba gny olana tamy ndreo, gnanome vola bevata agny reo miaramila reo 13sady nivola azy reo hoe: "Volano amy reo hafa hoe: 'Gniavy tamy andro aliky mpianatr'i Jesosy regny gnangalatry gny vatany laha mbo igny natory zahay.'"14Lafa niavy tamy gny governora zay tatitry zay, ka handresy lahatry azy ntsika sady hangala gny ahiahy aminareo." 15Sady nalay gny miaramila gny vola sady gnanao araky zay fa nivolany azy reo. Sady zay tatitry zay ro nupoaritaky tamy reo Jiosy sady mitohy henaniky zao aza.16Nandeha Galilea reo mpianatry raiky amby gny folo, tagny amy gny vohitry zay fa natoron'i Jesosy azy reo. 17Lafa nahita Azy reo, ro nidera Azy, fa gny sasany koa nitao.18Gnamondry azy reo Jesosy sady niresaky tamy ndreo sady nivola hoe: "Fa nomea Ahy gny fahefa iaby agny an-danitry voho ety an-tany. 19Ka mandehana sady ataovo ho lasa mpianatriko gny firenena iaby zao. Ataovo batisa reo amy gny agnara gny Ray, gny Zanaky, voho gny Fanahy Masina.20Ampianaro reo hanenky gny raha iaby zay gnandidiako agnareo. Zaho miaraky aminareo avao, gna hatramy gny fiafaran'izao tontolo zao aza."

Mark

Chapter 1

1Toy gny fiandoha gny filazantsara an'i Jesosy Kristy, gnanaky Ndragnahary. 2Araky gny voasoratsin'i Isaia mpaminany hoe: "Toy, Zaho magniraky gny irako hisavalala Anao, raiky hamboatry gny lalanao. 3Nahakasa feo mikiaky baka agn'efitry agny mivola hoe: "Ataovo vonona gny lalan'i Tompo; ataovo mahintsy gny lala hombany."4Avy bakagny Jaona, nanao batisa tagny agn'efitry sady nitory gny batisa gny fibebaha ho gnany fangala gny ota. 5Gny tanin'i Jodia iaby miaraky amy fokonolo iaby tao Jerosalema, niavy namonjy azy. Nataony batisa tao onin'i Jordana reo, lafa nagneky gny fahotany.6 Jaona nisiky siky lamba volon-drameva miaraky fehikibo hoditry t'am-balahany, gny valala ndreko tantely remby ro nihaniny.7Nagnambara i hoe: "Misy raiky ho avy magnaraky ahy ze mahery mihoatsy ahy, fa tsy mendriky zaho ndre hamaha gny fehin-kapany aza. 8Zaho nanao batisa anareo tamy gny rano, fa I koa ro hanao batisa anareo amy gny Fagnahy Masina."9Tamy gn'andro niavian'i Jesosy baka Nazareta tao Galilia ro nitranga raha io, ka nataony Jaona batisa tao onin'i Jordana I. 10Lafa niranga baka agnaty rano tao Jesosy, voa-jeriny, nivoha gny lagnitry nisokatry ka nizotro tagnaminy teo manahaky voromailala gny Fagnahy. 11Nisy feo baka an-dagnitry tagny nivola hoe: "Iha ro Gnanako teako mare. Iha ro sitrako."12Bakeo laha nitaomy gny Fagnahy handea agn'efitry tagny Jesosy. 13Efapolo andro I tagny avao, nangala Fagnahy azy Satana reo tao. Niharo tamy gny biby ly, sady nagnompo Azy gny Anjely.14Lafa voapotraky Jaona, avy tao Galilia Jesosy nitory gny filazantsara Ndragnahary, 15sady nivola hoe: "Fa avy gny fotoa, sady fa mariniky gny fanjaka-Ndragnahary. Mibebaha, minoa gny filazantsara."16Lafa nandeha t'amoron-driaky gny Galilia I, ka nahajery an-dry Simona ndreko Andrea ralahalahin'i Simona nagnarato, fotony mpagnarato reo . 17Hoy Jesosy nivola tamin-dreo hoe: "Avia, magnaraha Ahy, fa ataoko mpagnarato olo nareo." 18An-dala ro ela fa laha nengandreo harato igny roso reo nagnaraky Azy.19Lafa nandeha lavitry Jesosy, ka nahajery an'i Jakoba anak'i Zebedio miaraky amin'i Jaona ralahiny ; t'agnaty gny sambokely namboatry harato . 20Nikaiky azy reo ka nengany t'an-tsambokely tao Zebedio babany niaraky tamin'gny mpikarama reo, ka nagnaraky Azy reo.21bakeo igny reo ny avy t'a Kapernaomy, andro sabata io, nitsofoky t'a Synagoga Jesoa sady nampianatry . 22Tseri-draha tamy gny fampianarana reo, fotony nampianatsy an-dreo manahaky gnolo manam-pahefa I, fa tsy hoe mpanora-dalàna .23Lafa bakeo nisy johary raiky t'a Synagogandreo gnazy nana fagnahy raty nikoraky mare 24nanao an'izao hoe:" Ino ro hifandraisanay aminao, ry Jesosy baka Nazareta? Ho avy hamotiky anay va Iha io? Haiko ane Iha io. Iha gnazy Masin-Ndragnahary!" 25Nivola mare gny demonia Jesosy nivola hoe :" Ka maresaky sady miboha tao!" 26Sady gny fagnahy maloto nandavo azy niboaky ro nikaiky tamy gny feo mare.27Tseriky iaby gn'olo sady nifampagnontany reo hoe: "Ino ty? Fampianara vaovao misy fahefa ? Bekoany ndre gny fagnahy raty reo koa aza mbo magneky andreo !" 28Gny vaovao mahakasiky niparitaky mbegny tamy gny faritr'i Galilia iaby.29Lafa baka niboaky gny Synagoga, niavy t'an-tragnon'i Simona voho Andrea reo, niaraky tamin'i Jakoba ndreko Jaona. 30 Rafozan'i Simona niazon-tazo , ka nambarandreo tamin'i Jesosy gny momba azy. 31Ka laha namonjy I, rinambiny tamy gny tagnany, voho nandreny azy, laha nisinda agny tazo igny, tapakevitsy hagnompo azy reo.32Tamy gny andro haliky io, t'afara gny filenteha gny masoandro igny, navonjy ndreo azy iaby gny olo marary voho gny olo misy demonia. 33Vory t'ambaravara teo iaby gny olo maro. 34Nagnafaky gny olo marary iaby I tsy nisy ankagnavaky voho nandroaky demonia, tsy nengany hivola gny demonia reo rozy fotony fa mahay Azy iaby reo.35Nifoha magneno akoho I, lafa mbo mahiky andro igny ; nandeha I namonjy toera mitoka hivavahany .36 Vagno fitadiava azy Simona voho gny namany regny. 37Hitandreo I ka laha nivola reo hoe:" Maro gny olo mila Anao."38Hoy I hoe: "Andao tsika hila toera hafa, tandrify gny tana magnodidy, mba azahoako mitory teny agny. Fotony zay ro antony nibohako tatoy." 39Nitety an'i Galilia iaby I, Nitory teny tamy gny Synagogan-dreo reo sady nandroaky demonia.40Nisy boka raiky nagnanto azy. Laha nangataky mare; nandohaliky t'akaikiny teo nivola hoe: "Laha sitrakinao, afaky mandio ahy va Iha." 41Mahaferignahy mbakany, nahampatrin'i Jesosy gny tagnany, sady nivola i hoe:" Sitrako mare didiky. Maliova iha." 42Niala tamin'gny johary igny gny haboka, laha nadio I.43Nagnafatrafatry azy mare Jesosy sady nampandefa azy.44 Hoy I hoe: "Ka mivola raha maro iha ndre amin'ia ndre amin'ia, ka mitolitoliky fa laha zoro gny lalanao, atoroho amy gny mpisoro gny vatategnanao janga io, laha manaova fagnatitry amy gny fagnadiova anao araky gny nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroanao ho vavolombelo amin-dreo."45Niboaky i sady nanomboky nivola tamin'gny olo voho nagnamparitaky gny safa fe tsy afaky nitsofoky an-kalalaha tamy gny tana maro koa Jesosy. Niafaragnany laha nitoka tamy gny toera hafa ambaliky agny I sady nagnanto Azy tagny iaby gny olo maro.
Chapter 2

1Lafa nipoly baka Kapernaomy I afaky andro kelikely igny ,kasa fa tantragno tao I. 2 Maro tokoa gn'olo nitangoro tao ka tsy nisy toera koa, na tambaravara teo aza ,bakeo nisafa tamindreo Jesosy.3Nisy johary maromaro namonjy Azy ro sady nanday johary raiky malemy; nilanjain'olo efa-dahy.4lafa tsy niafaky namonjy marikitry Azy reo nohon'ny hamaroany vahoaky,la nalaindreo gny tafon-tragno tambonin'i Jesosy teo,lafa nivoasokatsindreo amizay tafo igny,là najotsondreo kidoro niroroany johary malemy igny.5 Lafa nahita finoandreo jesosy la zao gnataony any johary malemy igny: "Anaky,voavela gny helokinao".6 Là nisy sasany tamy mpanora-dalana regny nifitaky teo,ka nigonongono tam-pony tao i hoe: 7"Manao akory ro ahafahan'ny lelahy toy mivola manahaky an'zay? Manao safa raty I! Ka tsy Ndragnahary raiky avao va ro afaky mamela heloky?"8Fe Jesosy nahay sahady tamy fagnahiny gny raha neritreretindreo.Ka hoy i tamidreo hoe: "Nagnino nareo ro mieritreritry raha manao an'izay agnatiny fonareo ao? 9Ino ro moramora, gny mivola amin'ny lelahy malemy hoe:" voavela gny helokinao" sa gny hoe: " mitsangana la ondrono ngy kidoronao, ka mandehana?10Fe mba hahaizanareo fa mana fahefa hamela heloky ambony tany etoy gnanak'olo,"zao gnataony any lelahy malemy igny: 11"Ambarako anao,mitsangana la ondrono gny kidoronao la molia antragnonao agny". 12 Ka nitsanga i no nibinatany gny kidorony, niboaky any tragno nisy olo maro igny i, nitseriky iaby reo ka nagnome voninahitry an-Ndragnahary, zao gnataondreo hoe: "Mbo tsy nahita raha nanahaky anitoy lahy rahay."13Bakeo niboaky tan-driaky tegny koa I, ka namonjy Azy aby gny vahoaky sady napianariny reo. 14lafa I amizay nandalo , nahita an'i Levy gnanakiny Alfeo nipetraky tamy toera famoria hetra teo, zao gnataony hoe: "Magnaraha ahy." Ka nitsanga i la nagnaraky Azy.15Nihina tatragnony Levy tao Jesosy sy gny mpamory hetra miaraky amin'ny olo maro mpagnota regny, niaraky nihina taminy sy gny mpianatsiny, fa maro reo ro tao ro sady nagnaraky Azy . 16Ka reo mpagnora-dalana ro sady fariseo lafa nahita any jesosy nihina niaraky tamy gnolo mpagnota sy mpamory hetra regny, ka nagnotagny any mpianatsiny hoe: "Nagnino I ro miaraky mihina amin'ny mpamory hetra voho gn'olo mpagnota?"17Lafa nahakasa anizay Jesosy ka hoy I tamindreo: "Tsy gny salama ro mila mpitsabo; fa gny magnelo avao ro mila anizay.Tsy avy hikaiky gny olo-marina Aho fa gny olo mpagnota."18Nifaly hany gny mpianatsin'i Jaona sy Fariseo. Johary maromaro ro namonjy Azy ka nisafa taminy hoe: "Nagnino mpianatsin'i Jaona sy mpianatsiny Fariseo reo ro mifaly hany ,fa gny mpianatsinao tsy mifaly? 19Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Afaky mifaly hany va gny mpagnatriky fampakara laha mbo eo gny mpampakatsy? Laha mbo miaraky amindreo eo gny mpampakatsy, voho tsy afaky mifaly hany reo.20avy gny fotoa hangala gny mpampakatry amidreo eo, amizay fotoa izay, voho hifaly hany reo.21 Tsy misy manako siky tonta amin'ny siky vao, laha tsy izay hiala aminy tapa-tsiky igny, gny vaovao hiala amin'ny taloha, sady vao maiky ho raty gny fahatatahany.22Ka tsy misy olo magnisy divay vaovao agnatiny daba hoditry fa tonta, laha tsy zay ho tatakiny divay gny hoditry ka samy ho tompa gny divay sy gny daba hoditry.Nefa, gny divay vaovao atao agnaty daba hoditry vaovao".23Tamy andro sabata Jesosy nandea ta-tanimbary maromaro tegny, ka nanomboky nila vary gny mpianatsiny.24Hoy Fariseo regny taminy: "Henteo moa, nagnino reo ro manao raha tsy arakiny lilin'ny andro sabata?25Hoy I tamindreo hoe: "Mbo tsy nivakianareo kay ze nataon'i Davida lafa tagnatiny tsy fahampia sy mosary i voho lelàhy niaraky taminy. 26Manao akory fomba nilirany tantragnon-Dragnahary tamy andron'i Abiatara mpisoro, ka nihina gny mofony fagnatreha, ze tsy ara-dalagna ndra ia ndra ia gny mihina azy laha tsy mpisoro avao, sady mbo nomeany maromaro aza reo iaby niaraky taminy.27Jesosy nivola hoe: "Gny sabata ro natao hoany gnanak'olombelo, fa tsy gnanak'olombelo ro hoany sabata.28 Laha izay, gny gnanak'olo ro Tompo, na amy sabata aza.
Chapter 3

1Nilitsy tagnaty synagoga ndraiky Jesosy ka nisy johary raiky maty tagna tao. 2Nagnara maso Azy mariny gny olo sasan-tsasany mba hahita laha hitsabo azy amy Sabata I, mba afahan-dreo agnameloky Azy.3Hoy Jesosy tamy Johary maty tagna igny hoe :'' Mitsangana ka mijoroa agnivon'olo iaby eto''. 4Nivola tamign'olo I hoe : ''Aradalagna va gny manao soa amy gn'andro Sabata sa gny manao raty; gny magnavotsy gnay sa gny mamono?'' Tsy nahita raha nisafagny reo.5Nagnenty an-dreo tamin-tsiaky Jesosy, ro naferignay an-dreo I noho gny hamafin'ny fo ndreo. Nivola tamy johary igny I hoe: ''Ampahitio tagnanao''. Nampahitiny gny tanagny, la nijanga. 6Niboaky fariseo reo Ka nidiniky malaky niaraky tamy Herodiana hila fomba hamonoa Azy.7Bakeo Jesosy niaraky tamin'ny mpianatriny nandeha andriaiky egny, ka nisy fokon'olo maro baka Galilia no bakany Jodia, Jerosalema,8 Edoma, Jordana, Tyra, Sidona. Lafa nahakasa mahakasiky gny raha nataony reo, laha nisy vahoaky maro namonjy Azy .9Nampila sambokely an'ny mpianany ho Azy Jesosy, noho gny hamaroan' olo teo, mba tsy hifanosehan'olo I. 10Noho I nahajanga olo maro, nifandrombaky namonjy Azy gny olo iaby nanagn'arety mba hitsapa Azy.11Isakiny mahita an'i Jesosy ngy fagnahy maloto laha nandohaliky ro nitoreo, sady nivola hoe : '' Iha ro anakin-Dragnahary''. 12Fa nivolagniny mare reo tsy hivola gny mikasiky Azy.13Niakatsy ta-tendrombohitry I, nikaiky olo teany regny hamonjy Azy, laha nandeha taminy tegny reo. 14Nifily gny roa ambinifolo I (atao hoe Apostoly), mba afahan-dreo miaraky Aminy sy mba hagnirahany andreo hitoriteny 15sy hagnam- pahefa hamoaky devoly. 16Bakeo nifily gny Apostoly roa ambinifolo I : Simona, nameany gny agnara hoe Petera;17Jakoba anakin'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, nameany gny anara hoe Boanarijesy na koa hoe anaky amonto;18 miaraky amin'i Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba anakin'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota, 19Jodasy Iskariota raiky hamaliky Azy igny.20Nandeha noly an-trano I, laha niaraky niavy ndraiky gny fokonolo, ka tsy niafaky nihina reo iaby.21 Laha nahare an'izay longony regny, niboaky nangala azy sady nitenenin'olo teo hoe : '' Very say I''. 22Nivola koa mpanora-dalana baka Jerosalema any hoe : '' Ipetraha gny Belzeboba I'', laha'' Baka amy gny mpagnapaky gny demonia ro androahany gny demonia''.23Nikehin'i Jesosy hamonjy Azy reo bakeo nivolagniny tamin'ny fagnohara hoe :'' Manao akory ro hahafahan'i Satana mandroaky an'i Satana?24 24 Laha misy fanjaka mialy an-tragno ho rava zay. 25Laha misy toka-tragno raiky mialy an-tragno tsy haharitry toka-tragno zay.''26Laha nitsanga nanohitry gny tenany Satana, laha nisaraky, laha tsy haharitry, laha tapotsy. 27Tsy misy afaky militry agnaty tragno gny johary matanjaky raiky laha androbaky gny fagnanany laha tsy mamatotry gny mahery aloha (tseky), laha hambroba gny tragnony i bakeo.28Volagniko aminareo marina fa ho afaky iaby gny fahota gny gnanak'olombelo, na gny fivolagna raty iaby miboaky baka ambavany, 29fa gny magnaraty gny Fanahy Masina, tsy ho afaky fahota mandrakizay fa mpanota noho gny fahota mandrakizay. 30Nivola anizay Jesosy noho gny fivolagnan-dreo hoe :'' Mana Fagnahy maloto I .''31Lafa bakeo gny reniny miaraky amy reo rahalahiny nitsanga tamonto tegny.Naniraky olo nivola Azy reo, nampikaiky Azy.32 Nipetraky magnodidy Azy gny fokonolo ka hoy reo taminy hoe : '' Miamby Anao amonto ao neninao sy gny rahalahinao, ka mila anao reo''.33Laha namaly I hoe : '' Ia ro neniko sy rahalahiko?'' 34Nijery gny tamin'ny olo nipetraky magnodidy Azy I, ka niteny hoe : ''Enteo, reto gny neniko sy gny rahalahiko.35 Na ia na ia ro manao ny tia-Ndragnahary, zay ro rahalaiko, anabaviko, sy neniko.''
Chapter 4

1Nanomboky nampianatry tamy sisin-driaky tegny draiky I,ka nisy vahoaky maro nivory nagnodidy Azy.Niondra tanaty sambo tan-driaky teo I.Gny vahoaky moa nijano tamy sisin-driaky tegny. 2Nampianatry an-dreo raha maro I ka nataony tamy fagnohara io mba ahazoa gn'olo Azy,zao raha nivolagniny tamy fampianarany andreo.3''Janjigno,nisy mpamendraky handeha hamendraky vihy. 4Lafa nagnily i,nisy tamy vihy regny nilatsaky tan'dala tegny,ka avy voro regny nihina raha igny. 5Gny vihy sasany niraraky tamy tany nisy vatovato,fe nitiry nalaky avao satria nisy tany kelikeliky teo fa tsy laliky.6Lafa nipoaky gny masoandro,nalazo raha regny satria tsy nisy vahatrigny,laha nimaiky. 7Gny vihy sasany niraraky tamy tany feno fatiky,fe tsy nitiry niha bevata,satria bahanagni fatiky regny i,ka tsy namihy vihy.8Gny vihy hafa niraraky tamy tany soa ka namihy vihy tam-pitomboha ka nihamaro,gny sasany nitombo nihamaro,sasany nitombo in-telopolo,sasany in-enimpolo bakeo sasany in-jato.9Bakeo zao safagny hoe:''ze mana-fijigna handesy mijanjy,engao i hinjajy!''.10Lafa jesosy raiky avao teo,nagnontany Azy amy fagnohara reo gny olo mariniky azy sy mpianatriny roambifolo regny. 11Ka hoy I tamindreo hoe:''Ho anareo ro agnomeza raha mivony amy fanjakan-Dragnahary.Fa gnany hafa reo,fagnohara avao gnandreo, fa tsy hahita ino reo lafa amy fotoa hanenten-dreo, 12ary tsisy raha hain-dreo amy fotoa hinjanjignan-dreo,na koa hipoly reo ka handefitry an-dreo Ndragnahary.''13Ka hoy I tamindreo hoe:''Tsy azonareo va zao fagnohara zao?manao akory zao gny ahazoanareo ny fagnohara hafa iaby regny? 14Gnazy mpamboly mamendraky any vihy regny io gnazy raiky mpamendraky gny safa. 15Reo gnazy nafendraky taminy lala,reo lafa nahare any safa iny,niavy Satana nangalatry any safa gnazy nafendraky tamy ndreo.16Reto gnazy nafendraky tamy tany feno vatovato,reo,gnazy nahare gny safa,igny laha nandramby azy ampifalia. 17Fa tsy misy fototry amy ndreo ao,fa fotoa kelikely avao niareta ndreo.Fa niavy ny fahoria sy fanenjeha noho gny safa,nanjary lavo rozy.18Reo gnazy hafa voafendraky taminy tany maro fatiky,re-ndreo ny safa, 19fa gny fanahia gny zao tontolo zao,ny fitaki gny hagnagna sy ny fikara raha hafa ro namoritry gny safa amin-dreo ao,ka tsy namoa vokatry reo.20 Reo gnazy nafendraky tamy tany soa,reo gnazy nandramby gny safa zay nireny,ka namokatry reo-telopolo,enimpolo na avy zato henign'izay nafendrakiny.21Jesosy nivola tamy ndreo hoe:''lafa andesinao an-trano ao va jiro io,hataonao ambaniny fisia ao sa hataonao ambaniny fandria? Andesinao militry io ka ataonao amigny fasia jiro.22Ary tsisy raha havony tsy ho hay,ary tsisy tsiambaratelo tsy hiboaky.23 Laha misy manan-tsofi handesy minjanjy,aoky i hinjanjy!''24Hoy I tamindreo hoe:''Mitandrema amy gny safa renareo,fa arakaraky gny hoatry anoharanareo,ro anohara anareo,ary ho ampia aminareo zay.25 Satria na ia na ia ro mana,ka homeo maro koa i,fa na ia na ia tsy mana dia halay aminy iaby gnazy hanany.''26Hoy koa I hoe:''Gny fanjaka-Dragnahary manahaky olo raiky mamendraky vihy amy gny tany. 27Miroro i amy gny haliky ka mifoha amy gny maraindray,ka gny vihy mamoa sady mitiry fa tsy hainy hoe manao akory. 28Gny tany ro mamoa amy gny vatany raha io:voalohany gny rantsany,bakeo gny tahony,bakeo gny vihy matoy amy gny tahony. 29Ka lafa matoy gny vihy dia mandefa finjinja i,fa avy gny fotoam-pinjinja.''30Hoy ndraiky I hoe:''Ino ro azontsika ampitovia amy gny fanjakan-Dragnahary,na ino ro fanohara ampesaintsika hanazava agny zay?31Io manahaky gny voatsinampy,lafa hafendraky,i ro farany kelikely amy gny vihy iaby. 32Nefa i ro bevata lafa mitiry,bakeo afaky anamboaragny voro tragno amy gny alokalokiny.33Fagnohara manahak'izay ro nambarany gny safa tamy ndreo,amy zay fahazahoa ndreo azy, 34ary ataony fagnohara avao gny firesaha amin-dreo.Fa lafa reo amy gny mpianatsy avao igny,amy zay I vo manazava raha amin-dreo.35Tamy zay andro zay,lafa avy hariva, hoy I tamin-dreo hoe:''Ndao tsika hita am-pita eroy. '' 36Niala tamy gny fokonolo teo,nandesindreo jesosy niaraky tamy ndreo,laha igny I,tanaty sambokely igny.Nisy sambokely hafa koa niaraky taminy. 37Lafa tanaty sambokely tao reo,nisy tsioky mare sy kipahy nagnafotry gny sambokely ka hagnaly hony dobo sambokely ."38Jesosy raiky avao natory ampotogny sambokely,tambony gny onda,nifohazi-dreo I,nagnao hoe:"Mpampianatry,tsy mampagnino anao va laha maty etoy tsika? " 39Nifoha I,nivola aminy tsioky sy riaky igny hoe:"Miegnena!mitonia!''niegny tsioky igny sady nisy fitonia bevata.40Hoy gnasany tamy ndreo hoe:"Magnino nareo matahotsy?Mbo tsy manam-pinoa avao va nareo?" 41Matahotsy mare reo ka nifampisafa hoe:"Ia moa toy,fa na gny tsioky amy gny riaky aza magnenky azy."
Chapter 5

1Niavy tampita gny riaky tegny reo, tao amy gny faritr'i Gerasena. 2Lafa niala baka amy gny sambokely Jesosy, nisy lelahy raiky azo gny fagnahy raty namonjy azy baka andolo eny.3Nifitaky t'andolo tegny johary io. Tsy nisy afaky nandramby azy koa, ndre tamy gny ravaky vy aza. 4Voafatotsy matetiky tamy gny gadra vy sy ravaky vy . Nitinapakany iaby ravaky, laha potiky iaby gadra vy reo. Tsy nanan-kery nifehy azy.5Isaky haliky sy isan'andro, tandolo sy tantendrombohitry, nitoreotoreo i sady nandatsaky gnainy tamy gny vato maragnitsy. 6 Lafa nahita an'i Jesosy baka lavitry i, vango lay nandeha aminy eo, sady niankohoky talohany teo.7Sady nitoreo tamy gny feo mahery i hoe: "Ino moa ro ifandraisako aminao, Jesosy, gnanak'i Ndragnahary faratampony? Miangavy anao amy gny anaran'Ndragnahary raiky avao zaho, ka mampijaly ahy." 8Fa i nivola taminy hoe: "Miboha amy gn'io johary io, ry fanahy raty."9Ka i nagnontany azy hoe: "Ia moa gny agnaranao?" ka namaly i hoe: "Legiona ro agnarako, fotony marobe zahay." 10Sady niangavy mare taminy i tsy handroaky an-dreo iaby ambaliky gny faritry"11Ka nisy andian-kosoa niakatsy tegny antendribohitsy, 12 niangavy tamy ndreo i, nivola hoe: "alefaso amy gny kosoa reo zahay; engao zahay hilitry amindreo ao ." 13Ka nengany iaby reo; sady niboaky iaby koa fanahy raty, nilitsy tamy gny kosoa iaby regny , sady vango lahy tagnaty hiviky tamorondriaky iaby, roa arivo hisaky teo gny isaky gny kosoa nimaty.14Nilay nandositsy gnazy namaha gny kosoa regny sady nitatitry gny raha niseho tamy gny tana teo voho gny tagny ambanivohitsy, maro gny olo niboaky nanenty gny raha niseho. 15Bakeo reo nagnanto any Jesosy, ka nahitaky lelahy raiky nipetrahany devoly, gnazy raiky nipetrahan'gny legiona, nipetraky teo, nisiky sady vory say; ka navozo iaby reo.16Reo iaby ze nahitaky gny raha nahazo agn'ny lelahy raiky nipetsahan'ny devoly ro nitantara tamindreo iaby gny momba gny zay tamigny antsipirihany, 17 Ka nanomboky nangataky azy iaby mba hialany eo amy gny faritry dreo .18Lafa niakatsy tamy gny sambokely I, nangataky tamy gny johary nipetrahan'ny devoly mba hiaraky aminy. 19Fa tsy neken'i Jesosy kanefa raha zay, fa nivola i hoe: "Mandehana moly amy gny tranonao sy gny fianakavianao ka tantarao andreo gny raha natao gny Tompo taminao"20Nandeha noly i sady nanomboky nivola gny hasoava bevata ze nataon'i Jesosy tamigny ta Dekapolisy, ka tseriky aby gn'olo.21Ka lafa nandeha tampita tegny Jesosy, tamy gny sambo maliniky, nisy vahoaky maro nivory nagnodidy azy, lafa i ro tamorondriaky tegny. 22Bakeo avy gny raiky tamindreo mpitariky gny synagoga, kahia amigny agnara hoe Jairo, ka laha vo nahitaky azy, la niantoraky tamign'ny tombokony teo. 23Nitalaho avao i, nivola hoe: "Marary fa magnaly ho maty gnanan-kampelako. Mangataky aminao aho, avia mba hametsaky tagna aminy mba ho janga sy ho velo i."24 Roso niaraky taminy I, ka vahoaky maro ro nagnaraky la nifanisiky nagnodidy azy.25Ka nisy ampela raiky teo nafery tagnatin'ny roambinifolo tao.26 Nijaly be tokoa i, nitety mpitsabo maro , nandany gny haregnany iaby, nefa tsy nijanga fa vomaiky niharaty.27 Ka lafa nahakasa tatitsy iaby mahakasiky an'i Jesosy i, ka nivaliky tamboho gn'olo maro reo tao i ary nikasiky gny sikiny.28Ka i nivola hoe: "Ndra mikasiky gny sikiny avao aho,laha fa janga."29 Lafa nikasiky azy i, nijanona gny feriny, ka renignainy soa fa janga tamy gny aretiny i.30Hain'i Jesosy niaraky tamizay fa nisy tanjaky niala baka aminy. Nitoliky tamy gny fokonolo i ka nivola hoe: "Ia ro nikitiky gny sikiko?" 31Ka namaly azy gny mpianany hoe: "jerinao reo vahoaky marobe iaby mifanisiky aminao reo, ka hoy anao hoe: "Ia ro nikitiky ahy." 32ka nagnenty gny manodidy azy Jesosy mba hahitany gny nanao an'izay.33 Gnazy ampela nahay gny raha niseho taminy, natahotsy sy nangovitsy. Roso i ka niantoraky tagnoloa gn'i Jesosy ka nanambara taminy gny marina iaby.34 ka hoy Jesosy taminy hoe: "Anaky, gny finoanao ro nahavonjy anao. Mandehana amy gny fiadagna ka ho janga amy gny aretinao.".35Laha mbo nivola i, niavy gny olo sasany bakagny amy gny mpitariky gny synagoga, nivola hoe: "Fa maty gnanakinao. Nagnino ro mbo manahira gny mpampianatsy avao?36ka lafa nahakasa gny raha nivolagnindreo Jesosy, ka hoy i tamy gny mpitariky gny synagoga hoe: "Ka mataotsy, minoa avao." 37Ka tsisy nengagny hiaraky aminy, laha tsy Petera, voho Jakoba, sy ro Jaona, rahalahin'i Jakoba. 38Niavy tantragno gny mpitariky gny synagoga reo ka nahita olo nitabataba teo i; nitomagny no nitabataba mare reo.39Lafa nilitsy gny tragno I, ka hoy I tamindreo hoe: "Nagnino nareo ro mitabataba sy mitomagny? tsy maty gny zaza fa miroro.40 Nihomezandreo I. Nefa naboakiny amonto agny reo iaby sady nangalaky gny babany sy gny neny gny zaza voho reo niaraky taminy, ka nilitsy tantragno nisy agn'ny zaza igny I.41Rinambigny gny tagna gny zaza igny no sady nivola taminy hoe: "Talita, Komy!" laha laha avaliky: "Ry gnanaky ampela, mivola aminao aho, miongaha."42 Bakeo tafahongaky gny agnaky ampela ka nandeha (satria roa ambin'ny folo tao i). Tseriky reo.43 Niraràny reo mba tsy hisy ndre ia ndre ia hahay gny mahakasiky agny raha io. Bakeo de nivola i hoe omeo hany agnaky ampela io.
Chapter 6

1Nagnenga an'io toera io I ka namonjy gny tanindrazany, nagnaraky azy iaby gny mpianany.2 Ka lafa niavy gny andro sabata nampianatry tao amy gny Synagoga I. Maro gny olo nahakasa azy ka tseriky reo. Hoy reo hoe:" ka bakaia gny nahazahoany gny fampianara reto iaby ?" Ino zao gny fahendrea nomea Azy zao?" Ino iaby gny fahagaga nataony tamy gny tana ndreo io? 3Tsy lehy mpandrafitry igny io, lehy ananakin'i Maria rahalahin'i Jakoba, josesy, Jodasy, Simona ? Tsy miharo amintsika eto anabavindreo? Voa-fo tamin'i Jesosy reo.4Ka hoy Jesosy tamindreo hoe:'' Tsy misy mpaminany tsy omen-kaja laha tsy amy gny tanindrazany vo amy gny longony mariniky voho gny havorohotany raiky avao. 5Tsy afaky nanao asa mahatseriky I laha tsy gny fametrahany tagna tamy gny marary kelikely voho nagnajanga andreo.6 Tseriky amy gny tsy finoandreo I. Bakeo nandeha nagnodidy gny tana reo I hampianatsy.7Bakeo nikaiky andreo roambiny folo lahy I ka nanomboky nagniraky andreo tsy roa-droa, sady nagnome fahefa tamy gny fagnahy maloto reo, 8ka nandidy andreo tsy handay ndre ino ndre ino amy gny liany, ndre mofo, ndre kitapo, ndre vola amy gny fehintsarotro ndre reo laha tsy gny tehiny igny avao9 fe hanao kapa fa tsy hanao siky roa .10Hoy I tamindreo hoe:" Ndre ombia ndre ombia nareo militsy amy gny tragno raiky, mitoboha mandrampialanareo tagny. 11Ka laha misy tana tsy mandramby anareo na mijanjy anareo, lafa miala amy gny toera zay nareo, ahintsagno gny bon-tany amy gny tombokinareo ho fitsanga vavolombelo amindreo12Roso reo ka nitory fa gny olo tokony hibebaky amy gny otany.13 Nandroaky demonia maro reo, nagnositry menaky diloilo tamy gny marary maro be reo ka nahajanga andreo.14Kasan'i Heroda mpanjaka raha zay, fotony najary re-laza agnaran'i Jesosy. Gny sasany nivola hoe" Nitsanga tamy gny maty Jaona mpanao batisa ka miasa agnainy ao hery mahagaga reo. 15Ka gny sasany koa nivola hoe :" Elia I". Gny sasany mbo nivola hoe " Mpaminany I, manahaky raiky amy gny mpaminany tamy gny andro taloha.16Ka lafa nahakasa koa Heroda hoy i hoe" Jaona, lehy nitapako loha igny ro nitsanga tamy gny maty." 17Heroda ro nampisambotsy an'i Jaona ka nandefa azy an-tragno maiziky agny noho gny raharaha Herodiasy ( valin'i Filipo rahalahiny), fotony vinaliny gny ampela.18Fa i Jaona nivola an'i Heroda hoe:" Tsy to ngy lily gny hanambalianao gny valin'gny rahalahinao." 19Ka neloky azy Herodiasy ka niremby gny hamonoa azy, kanefa tsy afaky 20noho gny Heroda an'i Jaona hainy fa olo marina voho feno fahamasigna i, narovany i. Nanahiran-tsay azy gny fijanjigna azy, kanefa mbo nijanjy azy ampisinisinia i.21Bakeo nisy hiraky tamy gny fimpoliany tao naterahan'i Heroda ka nanao fagnasa hoany gny lehibeny voho reo mpifwhy voho reo mpitariky Galilia i. 22Ka nilitsy gny efitragno fagnasa gnanakampela i Herodiasy sady nitsinjaky reo ka nampisinisiny an'i Heroda voho reo vahiny nasay tamy gny fihinana i. Hoy gny mpanjaka tamy gnanakampela hoe:" Angataho amiko gny raha iaby tianao fa hameako anao.23Ka nanao vava taminy i nanao hoe:" Ndre ino ro angatahinao amiko hameako anao hatramy gny fanjakako.24 Ka niboaky i nivola tamin-dreniny hoe:" Ino gny tokony angatahiko aminy?" Ka hoy gny reniny hoe:" Gny kabeson'i Jaona mpanao batisa." 25Teo no ho eo avao nimpoly tagny amy gny mpanjaka i, ka nangataky nanao hoe:: Gny tiako ameanao ahy hananiky zao ro ametrahanao ambony gny finga gny kabeson'i Jaona mpanao batisa"26Ndre nampalahelo mare gny mpanjaka raha zay ka tsy afaky nanda gny fangatahany i noho gny vava nataony voho gny vahiny nasainy tamy gny fisakafoa.27 Noho zay nandidy miaramila raiky baka amy gny mpiamby mpanjaka ka nandidy azy handay gny kabeson'i Jaona ho aminy eo. Roso gny mpiamby ka nanapaky gny lohany t'antragno maiziky.28Nandesiny tagnabo gny finga gny kabeso ka nameany gny gnanakampelany, laha gny gnanakampela koa ro nagnome an-dreniny. 29Ka lafa nahakasa gny mpianatriny niavy reo nangalaky gny vatany ka nandevy azy t'andolo tagny.30Nimpoly tamin'i Jesosy tagny apostoly regny ka nitantara gny raha iaby vitandreo sy gny nampianarindreo.31 Ka hoy i tamindreo hoe:" Ndao tsika ho handea agn'efitry hangala morimoritry heky." Fa maro gny olo nivezivezy ka tsy nanam-potoa hinanan-kany iaby reo. 32Ka nandeha sambokely reo mba ho agny amy gny tany avao.33Reo nahitandreo nandeha ka maro gny nahay andreo, niaraky nilomay an-tomboky baka an-tana iaby tagny reo, sady niavy talohandreo. 34Lafa niavy tamoriny tegny reo, nahajilo olo maro I ka nahaferignay azy reo fa manahaky ondry tsisy mpiamby reo. Ka nanomboky nampianatry raha maro andreo I.v35Lafa hariva gny andro nagnanto azy gny mpianatriny ka nisafa hoe:" Toera avao toy gny andro fa ho aliky sahady. 36Alefaso reo mba handehanany agny amin'reo vohitry voho gny tana magnodidy hivily hany hoanindreo37Namaly I ka nanao tamin-dreo hoe:" Omeonareo raha hoany reo " Ka hoy koa reo taminy hoe:" Afaky mandeha sady mivily mofo azo gny denaria roanjato va rahay ka hagnome an'izay hoanindreo? 38Ka hoy i tamin-dreo hoe:" Firy gny mofo anagnanareo? Ndehana ka enteo." Lafa hitany hoy reo hoe:" Mofo dimy voho hazandrano roa."39Ka nandidy gny olo iaby hifitaky mitsitokotoko amy gny akata maintso I.40 Nifitaky antokony reo, toko zato voho dimampolo. 41Nangalaky mofo voho hazandrano roa I, niandrandra gny lagnitsy nisaotry ka nizara gny mofo nanolotry tamy gny mpianatsiny mba homeo agnatreha gny olo. Nizarainy avao koa gny hazandrano roa hoandreo iaby.42Ka nihina iaby reo paraky havoky andreo. 43Nalaindreo gny ambiny gny mofo mbo nahafeno roambinifolo haro milipolipo, manahaky an'izay avao koa gny hazandrano. 44Nisy dimy arivo gny johary nihina gny mofo.45Teo noho eo avao nalefany niakatry an-tsambokely reo mpianany mba hisavalala azy egny andafiria, handrea a Betsaida, lafa nandefa gny vahoaky I. 46Lafa nandeha reo, niakatsy tambohitsy tagny I mba hivavaky.47 Avy gny hariva fa agnivon-driaky tegny gny sambokely fa i ro t'antety tegny.48Ka jeriny fa sahira mare reo mivehy gny sambokely azony nanohitry andreo mare gny tsioky . Sabony amy gny lera fiambena fahefatry hariva namonjy andreo i, nitsaky tegny ambony gny riaky ka nandalo mbamindreo mbeo I.49 Ka lafa nahita azy nitsaky ambonin-driaky igny reo, ka nihevitry azy ho angatsy ka nikorakoraky reo,50 nahita Azy ka azontahotry teo no ho eo I nivola tamindreo ka nagnambara hoe:" Matokisa! Zaho avao toy! Ka matahotry."51Nilitsy t'antsambokely niaraky tamin-dreo I ka nijano tsy nitsioky mare gny rivotsy. Angoay vatany reo.52 Tsy takatsy gny saindreo gny dikany gny mofo. Fa nihanahery gny fondreo.53Lafa tafita reo, ka niavy tao Genesareta ka tao ro nitoby. 54Lafa nizotso tagnaty gny sambokely reo ka tsy nahavahiny gnolo tao I, 55ka hetrahetra nagnodidy gny faritsy iaby reo noho sady nanomboky nanday gny marary tamy gny fandreany tagny mba ho kasandreo gny misy Azy.56Ndre taia ndre taia gny nandehanany ndre ambanivohitsy ndre ampositsy, ndre tegny agnabo vohitsy maliniky ka napetrakindreo t'ankazava gny marary. Nangataky tamin-dreo mba hagnomezany hikasiky gny rambonakanjo, ka reo iaby ze nikasiky azy janga iaby .
Chapter 7

1Reo fariseo sy gny mpanora-dalàgna sasany zay niavy agny Jerosalema ro niango nagnodidy azy.2Sady nihitan-dreo mpianatsiny sasany nihina mofo tamy tagna tsy voalio,zany hoe, maloto. 3Fa gny fariseo sy gny jiosy iaby tsy mba mihina laha tsy fa voalio gny tagnan-dreo fotony reo magnaraky gny fombafomba gny loholo. 4Lafa mimpoly baka a bazary fariseo reo,tsy raha mihina laha tsy baka nandro.Maro koa gny fomba hafa tandreman-dreo ,manahaky gny fagnasa gny kapoaky sy gny famara,ary fanaky varahy,ary gny fandria hisakafoandreo.5Reo Fariseo sy Mpanora-dalàgna nagnontany agny Jesosy hoe:"Gnanano gny mpianatsy nao reo tsy magnaraky gny fomba gny loholo,fa mihina gny mofon-dreo amy tagna tsy voalio?"6ka hoy I tamy ndreo:" Isaia naminany soa gny momba anareo mpiatsaravelatsihy.Nanoratsy i hoe :"Itoy vahoaky toy magnaja ahy amy sominy avao,fa gny fony lavitry ahy. 7Rava gny fivavaha atolotrin-dreo ahy,laha mampianatsy gny fitsipik'olombelo ho fampianara an-dreo.8Afoinareo gny didy Ndragnahary ka nitana nareo mare ny fombagn'olo. 9Sady hoy I tamy ndreo:"Manao akory gny fagnaria nareo gny lilin-Dragnahary Mba hagnajanareo gny fomba-drazanareo! 10Ka hoy mosesy :" Magnaja gny babanareo sy reninareo ,bakeo,zay mivola raty gny babany sy gny reniny ho maty vatany."11Kanefa nareo mivola hoe:"Laha misy johary raiky mivola gny rainy na gny reniny hoe:" Na ino na ino teanao ho azo tamiko fa Morgana,'''(zany hoe:" Nomen-Dragnahary ."12ka tsy enganareo hanao na na ino na ino amy gny rainy sy reniny koa i. 13Magnafoa gny safa Ndragnahary nareo noho gny fomban-drazanareo zay nagnontania nareo. Maro koa raha manahaky agny zay ataonareo ."14Nikaiky gny vahoaky ndraiky i ka nivola tamy ndreo hoe:"Mijanjigna ahy nareo,ka ataovo nareo hay. 15Tsy misy raha baka amonto agny militry agnatin'olo raiky ka handoto azy lafa tafilitry aminy ao.Fa zay miboaky agnaty gn'olo ro mampaloto azy." 16[Gny fandika safa farany soa tsy magnisy gny andininy faha 16:Laha misy manan-tsofy hinjanjy,ao i hinjanjy.]17Lafa niala tamy vahoaky teo Jesosy ka nilitry an-tragno,la nagnotany mikasiky fagnohara igny mpianatrin'ireo. 18Namaly Jesosy hoe:"Nareo koa va mbo tsy mana fahalala? Tsy hitanareo va raha iaby militry agnaty gn'olo baka amonto agny tsy raha mampaloto azy, 19fotony tsy afaky militry am-pony agny fa an-kibony ao avao bakeo miboaky amy fiboaha?".Tamy gny fanambara zay ro nahavy gny hany iaby ho voalio hoy Jesosy.20Hoy I hoe:" Zay miboaky baka amy gn'olo ro mampaloto azy. 21Baka agnaty gn'olo,baka am-pony ao ro iboaha gny say raty,fahavetaveta,halatry sy gny famonoa olo.22Gny fijangajanga,fitsiririta ,haratiam-pagnahy,fitaky,finafonafoha,fialogna,vandy avonavo,hadala. 23Zay raha raty iaby reo ro miboaky baka agnaty gnolo,ka reo avao ro mampaloto azy."24Niala teo I ka roso nandeha tagny amy gny faritry Tyro sy Sidona. Nilitry tamy tragno raiky I bakeo tsy teany ho haign'olo hoe tao I,kanefa I tsy afaky nivony. 25Niaraky tamizay nisy ampela raiky mana anak'ampela misy fanahy maloto,nahare gny momba azy ka niavy niankohoky tan-tombokiny teo. 26Grika ampela io,Syro-foinika gny fiaviany. Niangavy I mba hangala gny demonia hiala amy gnanak'ampelany io.27Hoy I taminy:"Aoky homea hany aloha gny zaza.Fotony tsy mety gny mangala mofon-jaza ka magnatoraky azy ho agn' alika. 28Fe namaly I ka nanao taminy hoe:" Eka,Tompo,ndre gn'alika ambany latabatsy ao aza mba mitipo gny potipotipony amy mofon-jaza."29Ka hoy I taminy:"Noho zay safanao zay, afaky mandeha iha.Fa niboaky tamy gnanak'ampelanao gny demonia."30 Lafa nimpoly tagny an-tragnony tao ampela igny is nahita gny zaza niroro tambony fandria,fa gny demony fa niala.31Jesosy niboaky draiky niala gny faritry Tyro,namaky an'i Sidona hatragny amy riaky gny Galilia ka niakatry gny faritry Dekapolisy. 32Nandesin-dreo Taminy teo olo raiky maregny sady sahira lafa mivola,nitalaho Taminy reo mba hametrahany tagna aminy.33Nanday any lehilahy igny nitoka niala amy fokonolo I,ka nametraky gny ratsan-tagnany tan-tsofiny I,lafa nandora I,nikasiky gny lelany. 34Niandrahandra lagnitry I,nisento ka nivola hoe:"Maharegnesa!" 35Betibetiky teo nahare gny sofiny,namehy gny lelany ka potiky ka afaky nivola mazava soa i.36Jesosy nandrara an-dreo mba tsy hivolambola na amy nia na amy nia.Kanefa na norarany reo,vao maiky nahelin-dreo mbao mare kokoa. 37Tseriky tanteraky gn'olo,ka nivola hoe:"Nataony soa iaby gny raha iaby. Nataony nahare aza gny maregny,bakeo gny moa lasa nivola."
Chapter 8

1Tamy zay andro zay,dia gnisy vahoaky maro draiky,ary tsisy manan-kany rozy.Laha nikaiky mpianatrigny regny Jesosy la nivola tamy dreo hoe: 2"Mahaferigany anakahy vahoaky reo satria fa telo andro rozy niaraky taminakahy ary tsy manan-kohany. 3Laha alefako moly an-tranogny tsy mihinan-kany reo mety ho toira an-dala.Ny sasagny amy dreo baka lavitry aminio." 4Gnamaly azy mpianatrigny hoe:"Aia ro ahitantsika mofo ho ampy amahagnatsika vahoaky maro aty ami tany tsy misy ho hagny toy?"5Nagnotany an-dreo I hoe:" Firy mofo anagnanareo?"Hoy reo hoe :"Fito " 6Gnandidy ny vahoaky mba hifitaky amy tany I. Norabesiny gny mofo fito,ka nisaotry I,ary gnanapaky reo.Nomegny ny mpianagny zay mba ho zaraindrei amy vahoaky ka nampetrakin-dreo taloha gny vahoaky teo.7Ka mbo nisy fia kelikely hafa koa rozy,ka lafa baky nisaotry any raha reo I,dia nandidy andreo mpianatry handroso izany i.8 Ka nihina reo ka vintsy,la nalain-dro ny sisasisa tsy lany,ka mbo nahafeno fisia fito bevata. 9Teo eo amin'efatr'arivo teo gny olo tamin'izay,bakeo,nampoliny reo. 10Eo no eo la niakatry tao an-tsambokely niaraky tamindreo mpianany I,ka nandeha nagnany amy faritr'i Dalmamota reo.11Ka niboaky reo Fariseo ka nanomboky nifamaly taminy. Nila famantara baka an-danitry tamindreo mba hitrapa azay. 12Nifoay laliky hatrimin'ny fagnahiny I ka nivola hoe:" Nagnino ro mila famantara reo tranaky reto?Kanefa volagniko gny to aminareo,fa tsy misy famantara omea hoan'reto taranaky reto." 13Bakeo I ka nanenga andreo ,niakatry tao an-tsambokely ndraiky,ka niala lavitry ho egny am-pita.14ka halignon'ny mpianatry nanday gny mofo tamin-dreo.Tsy mana mihoatry ny raiky reo tao anaty sambo. 15ka nampitandri aminy masirasiran-dreo Fariseo sy gny masirasiran'i Heroda ".16Ka nifagnotany tena ny mpianatry hoe:"Avy amintsika tsy mana mofo izao". 17Hain'i Jesosu izao,ka hou I tamin-dreo hoe :" Gnanino ro amiy gny tsy fanagna mofo ny fisaignanareo? Mbo tsy mazava va?Mbo tsy takatrinareo va?Nannjary donto va ny fonareo?18Mana maso nareo fa tsy mahita va ? Manan-tsofy nareo , fa tsy mahare? Tsy tiaro nareo va? 19Lafa nanapaky ny mofo dimy ho an'olo dimy arivo Zaho,firy fisia misy tavelan'ny mofo gnahoronareo?"Hoy reo tamigny hoe:"Roambinifolo."20Lafa nanapaky ny mofo fito ho an'olo efatry arivo Zaho,firy fisia sisa tavela nahoronareo?" 21Hoy reo hoe:"Fito". Ka hoy i hoe:"Mbo tsy takatrinareo avao va ?"22Avy ta Betsaida reo.Ka nisy jamba raiky nandesin'olo taminazy ka niangavian-dreo Jesosy mb hikasiky azy. 23Nandesin'ny jesosy tamin'ny tagnanay jamba iny ka notaritny hiboaky gny tana. Lafa nandrora tamin'gny masony I ka nametraky ny tagnanay t'agnaminy ka nagnotany azy I hoe:" Mahita raha va iha?"24Ka nitraka I,ka nivola hoe:"Mahita olo manahaky ny hazo mandehandeha zaho." 25Napetrakin'I Jesosy tao amin'ny masony ndraiky ny tagnany ka nahita lehilahy igny masony,la nipoly tamin'ny lohan'ny gny fahitany,ka nahita mazava soa ny raha iaby i.26 Ka nampandehan'i Jesosy noly i ka nivolagnany hoe:"Ka militry an-tana ao"27Nandeha niboaky Jesosy voho gny mpianany ho agny amin'ny tanan'i Kaisara Filipo. Mbo andala reo fa nagnotany tamin'ny mpianatriny I hoe:" Hataon'olo ho ia moa Zaho io?" 28Namaly azy rozy ka nivola hoe:"Jaona mpanao batisa ."Gny sasany nvola hoe :"Elia",ary ny sasany hoe:"Raiky aminy mpaminany reo ."29Nagnotany an-dreo I hoe :"Ka nareo koa manao ahy ho ia?" Ka nivola Azy Petera hoe:" Iha ro Kristy." 30Nampitandry an-dreo Jesosy tsy hivola ny mikasiky Azy na amin'ia na amin'ia.31Gnanomboky nampianatry an-dreo Jesosy fa I tsy maintsy hijaly ny Anakign'olo,sady tsy ho ekegnin-dreo loholo voho ireireo lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanara-dalana,ka ho vognoe,ka hitsanga amin'ny maty afaky andro faha telo. 32Nivolagniny mazava soa. Bakeo nikakiky an'i Jesosy moramora Petera ka nanomboky nivola mare Azy.33Ka lafa niresaky Jesosy dia nagnety ny mpianagny ka nivola mare an'i Peterta nanao hoe:" Miala ahy,ry satana!Tsy mba mihevitry ny fanagnan-Dzanahary iha fa ny fanagnan'olo." 34Bakeo nikaiky gny vahoaky voho gny mpianatriny iaby I,ka hoy I tamin-dreo hoe:"Laha misy te hagnaraky Ahy de tsy maintsy manada gny tegnany i,mangalaky ny hazofijaliany,ka magnaraky Ahy.35Na ia na ia te hagnavotry gny gnainy dia hahavery izany,ka ze mahavery ny aigny noho Amiko sy ny safasoa,de hahavonjy izany.36 Fa ino ny tombotsoa azon'olo raiky laha mahazo an'izao raha iaby izao,ka bakeo tsobo gnainy?37 Ino no raha afaky omen'olo raiky hokalogn'ainy?38Na ia na ia megnatr Ahy sy gny Safako etoy amy ty taranakin'ny mpanao raty voho gny mpanota ty,dia ho menatry azy koa ny Anakin'olo lafa avy amin'ny vogninahitrigny ny Babany miaraky amy reo Anjely masina I."
Chapter 9

1Hoy I tamindreo hoe: "Ambarako anareo marina tokoa, fa misy aminareo mitsanga eto ro tsy hagnandra an'izao faty zao alohany hahitandreo gny fanjakan-Dragnahary ze ho avy amy hery bevata be". 2Tsota andro tafara tatoy, nandesiny Jesosy niaraky taminy Petera sy Jakoba voho Jaona ta-tendrombohitsy ambony tegny reo iaby. Bakeo niova soraky tagnatrehandreo teo I. 3Gny sikiny niova namirapiratsy iaby ro sady mazava sy foty be, foty mihoatry gny raha famotsia ambony tany etoy.4Bakeo Elia no Mosesy niseho tamindreo ka nisafa tamin'i Jesosy reo. 5Petera namaly ka nivola tamy Jesosy hoe: "Raby ô, soa la mipetraky eto tsika, ka andao hamboatry tragno telo tsika, gny raiky ho gnanao, gny raiky hoany Mosesy, ka gny raiky hoany Elia.6 Tsy nihainy gny ra ho volagny, fotony natahotry mare reo.7Nisy raho niavy nanaro andreo. Nisy feo niboaky baka agnaty raho igny tao nanao hoe: "Intoy gny gnanako teako, ka mijanjigna Azy".8 Tampoky teo, la nagnenty gny manondidy andreo reo, ka tsy nahita ndra ia ndra ia koa laha tsy Jesosy raiky avao.9Laha nijotso baka an-tendrombohitsy tegny reo, ka nafepetsiny mare mba tsy hivola ndra aminia ndra aminia gny raha nihitandreo laha tsy fa mitsanga amy maty gny gnanak'olo.10 Ka nitanadreo ho andreo avao zay resaky zay, kanefa nifampagnontany reo gny aminy mety amin'izay "fitsangana aminy maty" zay.11Nagnontany Azy reo hoe: " Nagnino gny mpanoratsy lily reo ro magnambara fa tsy maintsy ho avy mialoha Elia? 12Zao gnataony tamindreo hoe: " Fa niavy mialoha Elia handreny gny raha iaby . Ka nagnino ro voasoratsy fa gny gnanak'olombelo ro hijaly mare amy raha maro sady hatao manahaky gny olo tsy misy dikany? 13Nefa volagniko aminareo fa niavy Elia, sady natao gnolo taminy ze sitraky gny fony, araky ze fa nambaran'ny Soratsy Masy mikasiky Azy."14Lafa nimpoly taminy mpianatsy teo reo,la nahita vahoaky maro nagnodidy andreo, ka reo mpanora-dalagna nialy hevitsy taminy. 15Laha vo nahita an'i Jesosy reo, tseriky iaby vahoaky reo, ka laha nilay nagnato Azy igny reo la niarahaba AZy. 16Nagnontany any mpianatsiny reo I hoe: " Mikasiaky gn'ino ro hialianareo hevitsy amindreo."17Raiky taminy olo reo namaly an'i Jesosy: " Mpampianatry e! vonjeo lahy gnanako toy fa azony fagnahy mampivola azy. 18Na aia na aia magnaraky azy avao fagnahy raty io bakeo la akatokiny devoly io vavany sady atontatontany antany sady mihenja iaby gnainy voho miboaky aby ranogniviny. Fa nangalaky azy mpianatrinao reo fe tsy niafaky. 19Zao navaliny Jesosy andreo: "Ry taragnaky tsy mino,mandraky ombia ro hipetrako aminareo eto?Mandraky ombia ro hileferako aminareo? Andeso amiko atoy i."20Namonjy Azy reo miaraky aminy anakilahy misy devoly igny,vantany vo namonjy an'i jesosy devoly igny la nitonta tantany teo sady hipoky ragnonivy vavany. 21Nagnontany an'i babany Jesosy hoe: " Fa ela va nisiany fagnahy raty toy taminy",hoy babany anakilahy igny taminy: "Liany naha zaza azy io".22 Fa hony novonoiny mihintsy gnanako io fa tsy nimatiny,nalavony tagnaty motso na tagnaty rano sady nagnoatry hamotiky azy. Mba vonjeo lahy gnanako io, ampio fa mijaly.23Jesosy nivola taminy hoe: " Laha mahay iha". 24Gny raha iaby ro hainy mino atao". Niaraky taminizay la nitoreo babany anakilahy igny ro sady nivola hoe: " Mino zaho,sady mba vonjeo aho aminy tsy finoako". 25Lafa nihitany Jesosy vahoaky maro nilailay namonjy Azy de nivolagniny mare fagnahy maloto igny hoe:" Ry fagnahy moa sady maregny,mibeko anao aho,miboaha aminy sady ka mipolipoly koa".26Nikoitrakoitraky mare i talohany niboahany fagnahy raty taminy tao. Tsy nahatsiaro gnainy bakeo,ataon'olo fa raha nimaty. 27Nirambesiny Jesosy taminy tagnany i ka nampiongagniny la nitsanga anakilahy igny.28Nagnontaniany mpianatriny Jesosy hoe: " Nagnino zahay tsy nahatafaboaky any fagnahy raty igny". 29Zao gnataony andreo hoe: " Fivavaha avao ro ahafaha mandrohaky aniregny".3230ongaky teo ro sady nandea tagny Galilia.Tsy teany ho ain'olo hoe taia nandehanadreo. 31Nampianatry any mpianatriny regny i hoe: " Hisy hanolotry gny gnanakin-DZagnahary ka ho vonoy fa mbo ho velo ndaiky lafa aminy andro fahatelo. 32Tsy mazava amindreo soa io fagnambara io sady navozo koa reo nagnontany an'i Jesosy33Lafa reo ro niavy ta Kapernaomy tao, lafa nitafilitry tantragno tao Jesosy, nagnotagniandreo I hoe: " Ino raha nifampireshanareo tandala tegny?" 34Tsy nitabataba reo fotony samby tsy nisy nahay gny bevata mare reo. 35Nifitaky Jesosy ka nikaiky andreo roambin'ny folo lahy bakeo nagnambara hoe:" Fa laha misy gny te ho voalohany de tsy maintsy afara amin'olo iaby i sady mpanompon' olo iaby".36Nangala zaza maliniky raiky I la nataony tagnivondreo teo. Nondrognony nataony tantsorokiny tegny zaza maliniky igny sady nivola I hoe: " 37Ze kila olo mandramby zaza maliniky manahaky anizao aminy agnarako,de mandramby Ahy koa,de la misy mandramby Ahy ,de tsy mandramby Ahy avao fa mandramby an-DZagnahary koa".38Zao safan'i Jaona taminy hoe: " Mpampianatry e,nandrara olo nandroaky devoly taminy agnaranao zahay fotony reo tsy magnaraky antsika". 39Hoy Jesosy: " Ka mandrara azy nareo fa tsy misy olo mampiasa agnarako kanefa hivola raha momba Ahy bakeo40Lafa olo tsy manohitsy antsika de olo naman-tsika zay. 41Na ia na ia magnome rano anao erakiny kopy hinomy fotony gnan'i Kristy de ambarako aminao marina tokoa fa ahazo valim-pitia i.42Fa na ia na ia mampasiaky gny raiky aminy mino Ahy reo,de soa hoazy gny agnatogna vato bevata fikoseham-bary mifatotry aminy vozony la atsipy agnaty riaky agny.43 Laha gny tagnanao ro mandiso anao de tapaho,aleo manao sampo aminy fiaina toy izay mana tagna roa fe mampandeha amy afo be agny. 44[Fagnamariha: gny fandika soa mare de tsy magnisy gny fehezanteny aminy andiany faha 44 sy 46 hoe: "Ze tsy maty mihintsy gny hankandreo voho gny motso tsy ho faty mandrakizay."]45Laha gny tombokinao ro mandiso anaode tapaho,gny tegna soa aminao miditry mandringa amy fiaina toy zay mana tomboky roa mampilitry aminy afo be. 46[Henteo gny fagnamaria aminy andia faha 44].47Laha gny masonao ro mandiso anao,alao aminao fa gny soa aminao,militry aminy fanjakan-NDzagnahary miaraky aminy maso raiky toy izay maso roa kanefa handay anao agny amy afo be. 48Aminy toera ze tsy mahafaty kankandreo, sy motso tsy mety vonoa.49Fa gny olo iaby tokony ahazo sira amy afo be. 50Soa gny sira fe laha gny sira ro najary natsatso, manao akory koa ro ahafahanao hampasira azy? Asio sira aminareo ao,ka milongoa kiraikiraiky aby"
Chapter 10

1Nandeha niala teo amin'io toera io Jesosy sady nandeha tagny amin'ny faritry gny Jodia sy tagny amy faritry ambany gny Reniranon'i Jordana, sady namonjy Azy ndraiky gny fokonolo. Araky gny fataony, dia nampianatry andreo ndraiky I.2Namonjy andreo gny fariseo mba itsapa Azy ka nagnontany hoe :'' Ara-dalana ho an'gny johary va gny misaraky amy valiny?3 Namaly I hoe :'' Ino gny nandidian'i Mosesy anareo?'' 4Dia hoy reo hoe :'' Mosesy namela gny johary raiky hanoratry taratasy fanamarina gny fisaraham-panambadia sady andefa azy bakeo.''5Hoy Jesosy tamin-dreo hoe :'' Noho gny hamafin'ny fonareo no nanoratany ho anareo zao lily zao.'' 6Fa rango tamy gny famorogna voalohany Ndranagnahary nanao andreo ho johary sy ampela''.7Amy izay antony izay, hiala gny babany sy gny neniny gny johary ka hiaraky hipetraky amy valiny,8 sady hanjary ho vata raiky reo roa. Ka tsy ho roa reo, fa ho vata raiky avao. 9Ka zay natambatrin-Ndragnahary, aoka tsy ho sarahign'olombelo.10Laha tan-tragno reo, mbo nagnontany ndraiky mpianatry reny.11Hoy I tamin-dreo hoe :'' Na ia na ia johary misaraky amy gny valiny, bakeo manambaly ampela hafa, mijangajanga i zay.'' 12Laha misaraky amy valiny gny ampela ka manambaly johary hafa, mijangajanga i zay.13Bakeo nandesindreo anakindreo reny Taminy teo mba hametrahany tagna, fa nelofa gny mpianatriny reny reo. 14Lafa nahita an'izay Jesosy, laha nasiaky mare ka nivola tamin-dreo hoe :'' Ambelao gny zaza hamonjy Ahy, ka rara reo, fa gny fanjakan- Ndragnahary dia an'ireo mahaky azy reo.''15Ambarako anareo gny tena marina, fa na ia na ia tsy mandramby gny fanjakan-Ndragnahary mahaky gny zaza, laha tsy hilitry any mintsy.16 Bakeo, nitrotrony zaza reny no sady nitsofiny rano sady nametrahany tagna.17Laha nanomboky gny liany I, de nisy johary nilomainday ka nandoaliky Taminy teo, ka nanontany hoe :''Mpampianatry soa, ino gny tsy maintsy ataoko mba handovako gny fiaina mandrakizay?'' 18Namaly Jesosy hoe :'' Manino ro akenao soa Aho?'' Tsy misy soa mihoatsy an-Ndragnahary raiky avao.19 Hainao va gny lily hoe :'' Ka mamono olo, ka mijangajanga, ka mangalatsy, ka manao vavolombelo ngy diso, ka mamitaky, manaja gny baba sy neninao.''20De nivola johary iny hoe :'' Mpampianatry o! fa nataoko nanomboky gny fatanorako raha iaby reo.'' 21Nanenty azy Jesosy ka tia azy. Laha nivola I taminy hoe :'' Misy raha raiky tsy ampy aminao. Tsy maintsy avilinao raha iaby anananao de omeo ze tsy mana, fa hahazo agnana baka andanitsy any ia. Bakeo, manaraha Ahy. 22Fa noho zay fivolagna zay, laha nalahelo i, fotony nana fagnana maro loatry i.23Nanenty gny manodidy Azy Jesosy no nivola tamy mpinatriny hoe :'' Sarotsy ho an'ny mpanankarea gny hilitry gny fanjakan-Dragnahary.'' 24Tseriky tamy gny safany gny mpianatry. Hoy Jesosy tamin-dreo hoe :'' Agnaky, sarotsy gny filira amin'ny fanjakan-Dragnahary.''25 Mora hoan'ny rameva gny hilitry amy vody gny finjaitsy toy izay gny ilirany mpanankarea amy fanjakan-Dragnahary.''26Tseriky ndraiky gny mpianatsy laha nifanontagny reo hoe :'' Ia ro ho avotsy?''27 Nijery andreo Jesosy sady nivola hoe :'' Tsy vita gn'olo zay fa vitan-Dragnahary.'' Fotony, tsisy tsy hain-Dragnahary atao.28 Ka nanomboky nivola Taminy Petera hoe :'' Enteo fa zahay iaby reto, nambelanay iaby raha iaby, ka nagnaraky anao.''29Hoy Jesosy hoe :'' Ambarako aminareo marina, tsy misy olo niala gny tragnony, na gny rahalahiny; na gny rahavaviny, na gny reniny, na gny babany, na gny agnakiny, na gny taniny noho gny Amiko, sy gny Filazantsara,30 ka tsy nahazo avo zato eny henaniky zao : de trano, rahalahy, rahavavy, neny, anaky sy tany, miaraky amy fanenjeha, ary amy tao ho avy, dia gny fiaigna mandrakizay.31 Fa gny voalohany ho farany, ary gny farany ho voalohany.''32Tan-dala teny reo ho any Jerosalema, nandeha alohandreo Jesosy. Tseriky gny mpianatsiny,reo nagnaraky Azy tafara navozo. Nikehin'i Jesosy ho Aminy eny ndraiky reo roa ambinifolo ka nanambarany gny raha hahazo Azy tsy ho ela. '' 33Enteo, miakatry ho any Jerosalema tsika io zao, ka gny agnan'olo hatolotry gny mpisoronabe sy gny mpanora-dalàgna. Ho heloindreo ho faty I, laha hameany gny jentilisa. 34I reo iaby, haneso Azy, handora Azy, hamango Azy, sy hamono Azy koa.Fa afaky telo andro hitsanga amy maty I.''35Jakoba, Jaona , agnakin'i Zebedio, namonjy Azy ro nivola taminy hoe :'' Mpampianatry e! Mba tianay laha mba omenao anay zay raha iaby angatahanay amianao.''36 Hoy i tam-dreo hoe :'' Ino ro tianareo ataoko aminareo?'' 37Hoy reo hoe :'' Angao rahay hiaraky hipetraky aminao ao amy voninahitrao, gny raiky an-tagnao ankavagna, gny raiky ankavianao.''38Namaly an-dreo Jesosy hoe :'' Tsy hainareo zay angatainareo. Nareo va afaky misotro amy gny kapoaky isotroako na iaritry atao batisa amy gny anaova batisa Ahy?'' 39Hoy reo Taminy hoe :'' Vitanay zao.'' Ro nivola tamin-dreo Jesosy hoe :'' Gny kapoaky ho sotroiko, ho sotrinareo koa, gny anaova batisa Ahy, hanaova batisa anareo koa. 40Fa gny hipetraky an-tagnan-kavagnako sy ankaviako, tsy mianky amiko zay. Fa ho andreo nanoma soa an'izay.''41Lafa nahare gny momba gny zay mpianatsy folo hafa, nanomboky nasiaky tamin'i Jakoba sy Jaona. 42Nikehin'i Jesosy reo ro nivolagny hoe :'' Hainareo va, fa reo zay heritserety ho mpanapaky gny jentilisa ro mpanompo azy reo, ary gny lehibe mpifehy azy reo ro magnampatsy fahefa amin-dreo.43Fa tsy tokony hitovy amy zay gny aminareo. Na ia na ia ro magniry ho lehibe aminareo dia ao i mba ho mpanompo nareo, 44ary na ia na ia magniry ho voalohany aminareo dia ao i mba ho andevonareo iaby. 45 Fa gny nagnak'olo tsy ho avy ho tompoy, fa hanompo, sy hanolotry gny aigny ho an'olo iaby.''46Niavy ta-Jeriko reo. Laha niboaky gny tanà niaraky tamy gny mpianatsiny sy olo maro I, anakin'i Timeo, Bartolomeo, zay nangataky sady jamba, nipetraky tamoron-dala.47 Lafa nahare i fa Jesosy baka Nazareta zay, nanomboky nitabataba mare I no nivola hoe :'' Nao lahy Jesosy, gnanak'i Davia. Mamindra fo amiko! 48Maro gny nivola mare Azy , nivola taminy mba tsy hivola, fa vao maika i nitabataba mare hoe :'' Nao lahy gnanak'i Davida, mamindra fo amiko!''49Nijano Jesosy sady nampikaiky azy. Nikaihindreo gnazy tsy nahita igny. Sady novolagnin-dreo hoe :'' Mahereza! Mitsangana! Mikaiky anao I. 50Nariany gny sikiny sady nandeha i, namonjy teo amin'i Jesosy i.51Namaly azy Jesosy sady nivola hoe :'' Ino ro tianao hataoko aminao?'' Niteny johary iny hoe :'' Raby e! te hahita zaho.''52 Nivola taminy Jesosy hoe :'' Mandehana. Gny finoanao ro nahavoavonjy anao.'' Laha nahita i. Nagnoroky an'i Jesosy tan-dala teny i.
Chapter 11

1Laha nandeha ta-Jerosalema reo, dia nandriniky agn'i Betifaga sy Betania, agny an-tendrobohitry gny Oliva, 2bakeo Jesosy naniraky roa tamy mpianatrigny reny no nivolanigny reo hoe : '' Mandehana amy gny vohitry tandrify antsika iry nareo.'' Laha vo tafilitsy ao nareo, ahita anaky boriky raiky mbo tsisy nitaingy. Vahao i de andeso Amiko aty. 3Laha misy olo miteny aminareo hoe : '' Magnino nareo manao manahaky anio?'' Valio amigny hoe : '' Misy ilainy tompony azy fa hampolinay malaky aty avao bakeo''.4Lasa niboaky reo, nahita anaky boriky raiky nifatotry ivela gny trano agnila gny varavara raiky ta-morondala, novahan-dreo gny fatotriny.5Nisy olo sasany nitsanga teo ka nivola tamy ndreo hoe : ''Ino ataonareo ty, mamaha an'ny anaky boriky io?''6 Dia nambarany tamindreo safan'i Jesosy tamindreo, ka nambela gny olo handeha amy lalany reo.7Laha nandesy gny mpianatriny roa lahy tamin'i Jesosy teo anaky boriky iny dia nataony tambony teo gny sikindreo lha afaky nitaingy Jesosy. 8Maro gny olo namelatry gny sikiny tan-dala teny, ary gny sasany koa namelatsy rantsan-kazo nitapainy tan-bahibo tany.9 Reo nandeha talohany sy reo nanaraky Azy nikaikaiky hoe :'' Hosana! 10Deray lay raiky baka amy agnara gny Tompo. Deray gny fanjaka ho avin'i Davida babantsika! Hosana baka amy avo indrindra!''11Bakeo Jesosy nilitsy ta-Jerosalema ka nilitsy ta-tokotany gny tempoly nanentinenty gny raha iaby teo. Laha, niha tsofotsy gny andro, lasa nandeha Betania I sy reo roa ambinifolo lahy. 12Hamaray iny, laha nimpoly baka Betania reo, nahatiaro mosary I.13Nahita hazo aviavy raiky nandravy baka lavidavitsy, nandeha nijery teny reo mba hahita voa taminy teny, ka lafa nandeha taminy teny I, tsy nahita na ino na ino laha tsy ravy aveo. 14Nivola Jesosy bakeo iny hoe : '' Tsy hisy olo hihina voa baka aminao sasy.'' Nahare an'izay ny mpianatriny.15Nandeha Jerosalama reo iaby, nilitry tam-piangona tao I laha nandroaky gny olo iaby tao, gny mpivarotry sy gny mpivanga. Nalavony gny latabatry gny mpanakalo drala sy mpivarotry voro.16 Nisakanany iaby gny nieritreritry hivarotry ampiangona ao.17Ka nampianariny gny olo hoe :'' Fa voasotry fa gny tranoko trano fivavaha ho an'ny tany iaby.'' Nefa lasa nataonareo tranon'ny mpangalatry. 18Niren'ny mpisoro sy mpanoradalana ze nivolaniny iaby ka nila fomba amonoa Azy reo. Nataotry Azy reo satria lasa tian'ny olo I sy fampianarany.19 Ka lafa avy gny tsofotrandro de lasa noly reo.20Laha nadeha reo marandray iny, nahita an'ny hazo iny nalazo. 21Nahatiro Petera laha nivola hoe :'' Mpampianatry, enteo moha! Nalazo hazo nozononao iny.''22Namaly Jesosy hoe :'' Minoha an-Jagnahary.''23 Volaniko anareo marina fa na iha na iha ro mivola amin'ny tendrobohitry ito hoe :'' Mifindraha andriaky any.'' Laha manam-pinoa i de ho tanterain-Jagnahary zay.''24Dikan-izay de,25 lafa mangataky amin-Jagnahary nareo, de ataovo hoe fa azonareo zay ka ho tanterahiny marina tokoa. Ka mitana halaelo amign'olo nareo lafa mivaka mba ho ambelan-Jagnahary koa gny fahotanareo. 26Fa laha tsy mamototry gny fahota koa nareo de tsy ho abototrin' Babanareo andanitry ao koa gny fahotanareo.''27Lasa nandeha Jerosalema ndraiky reo. Laha nandehandeha tam-piangona tao Jesosy, nisy lohandoahan'ny mpisoro, mpanoradalana, loholo nananto Azy.28 Nivola taminy reo hoe :'' Fahefa baka aia azonao anaova raha manahakan'ireny?''29Nivola tamin-dreo Jesosy hoe :'' Hametrako fanontania raiky eky nareo.'' Volano amiko de ambarako aminareo koa hoe fahefa bakaia azoko anaova an'ireny.30 Baka amin'ny batisa nataon'i Jaona sa baka amin'olo?'' Valinareo aho.31Nandiniky reo sady nialy no sady niteny hoe :'' Laha mamaly tsika hoe baka andanitry'', de hiteny I hoe :'' Manino moha nareo ro tsy mino?'' 32Laha mamaly koa tsika hoe :'' Baka amin'olo,....'' Nataotry an'olo teo reny reo fotony Jaona mpaminany marina. 33Namaly farany reo hoe :'' Tsy hay nay.'' Namaly amin'izay koa Jesosy hoe :'' Zaho koa tsy hivola hoe fahefa baka aia nanaovako an'ireny.''
Chapter 12

1Nanomboky nampianatsy andreo tamin'ny fomba fanohara Jesosy. Hoy I hoe: ''Nisy lehilahy nanao tamim-boaloha boky, nagnisy vala gny magnodidy zay, sady nandavaky fafamiazagna. Namboatsy tilikambo I ary baka eo nampagnofa ilay tanim-boaloboka tamy mpamboly voaloboky. Dia roso nandeha lavitry I bakeo. 2Tamy fotoa mety, dia nagniraky mpanompo handeha amin'ilay mpamboly voaloboky I mba hangalaky amin-dreo gny sasany amin-dreo izay tokony ho anjarany amin'ny vokatr'ilay tamim-boaloboky. 3Fa nisamborin-dreo I, novangoagny ary niroasiny tsy handray ndra ino ndra ino.4Nagniraky mpanompo hafa koa I handeha amin-dreo agny draiky ka noferin-dreo I tamy lohany ary nalan-dreo baraka. 5Mbo nandefa hafa draiky I ka dia navonoy ndreo io raiky io.Nataon-dreo nitovy amin'ireo ny maro hafa, novangoagny ny sasany ary novognoigny ireo hafa.6Mbo nagna olo raiky hafa hirahy I, dia gny Anakiny teany. I ro farany nalefany tamin-ndreo. Hoy I hoe: ''Mba hagnaja ny Anako lahy reo.'' 7Kanefa nifampivola ireo mpamboly voaloboky hoe: ''Inty ilay mpandova ka andao ho vonointsika izy, dia ho azontsika ny lova.''8Nosamborin-dreo I ka novognoy ndreobakeo narian-dreo tany ambadikin'ny tamin-boaloboky. 9Ka ino ro hataon'ilay tompon'ny tanim-boaloboky? Ho avy I ka handravan-dreo mpamboly voaloboky ka hagnome gny tanim-boaloboky ho agny hafa.10Tsy novakinareo vasa izao Soratsy Masy izao? Gny vato zay nolavign'ny mpanaon-tragno, ro vatonareo fehizoro. 11Bakin'ny Tompo izay, ary tsy mahatseriky eo amin'ny masontsika.'' 12Nila hevitsy hisambora an'i Jesosy reo, fa navozo gny vahoaky, satria hain-dreo fa hanoherana an-dreo ro nivolagnany izay fanohara izay. Ka nangandreo I dia roso nandeha reo.13Ka nagniraky gny Fariseo sy Herodiana sasany ha any Aminy mba hamandriky azy reo amin'ny teny. 14Lafa niavy reo dia hoy reo tamy hoe: ''mpampiagnatsy, hainay fa tsy mivakiloha gny hevitsy gny olo iha, sady tsy maneho fiangara eo amin'ny olo. Mampianatsy marina ny lilin-Dragnahary iha. Magnaraky ny lily moa sa tsia ny mandoa hetra amin'i Kaisara? Tokony handoa hetra va zahay sa tsia?'' 15Fa hain'i Jesosy gny fiatsarambelatsindreo ka namaly azy reo hoe: Nagnino nareo ro mitsapa ahy? Agnadeso denaria raiky zaho mba hijereko azy.''16Ka nandesan-dreo vola raiky Jesosy. Hoy I tamin-dreo hoe: ''Endrikign'ia toy sary toy?'' Hoy reo hoe: ''An'i Kaisara.'' 17Hoy Jesosy hoe: Ameo an'i Kaisara zay an'i Kaisara, ary ameo an-dragnahary zay an-dragnahary.'' ka tseriky taminy reo.18Bakeo reo sadoseo, novola fa tsy misy ny fitsangagnana amin'ny maty, ka avy teo aminy. Nagnotany azy reo I, nagnao hoe: 19''Mpamianatsy ô, nanoratsy zao ho agnay Mosesy hoe: ''Na maty ny rahalahiny lehilahy raiky ka namela valy I, nefa tsy mba nanagnanaky dia tokony hanambaly ilay valim-drahalahy ilay johary, hanana taranaky ho an'ny Johary.20Nisy fito mirahalahy; nanambaly voalohany ary maty, tsy namela taranaky. 21Avy eo nangalaky azy gny faharoa dia maty, tsy nagnajano taranaky, dia torak'izao koa gny fahatelo. 22Tsy misy nagnajani taranaky i fito. Gny farany tsy mahare lohatsy, faty tokoa lahy njarahy igny. 23Amigny fitsotahy amigny maty, kanefa lahy hitsotaky amigny maty indray nareo. Ny vola gny valiny hoe? tokony samy hanambady iaby nareo fito miray tampo.''24Nivola Jesosy hoe: Ino gny antony maha-diso hevitra anareo io, tokony ho hainareo na gny Soratry Masy na gny tanjak'Ndragnahary? 25Tokony lafa mitsotaky amigny fahafatesany izy reo, ka tsy hanambaly na hatolotsy amigny fanambalia, ka hitovy gny anjely agny an-dagnitsy.26Ka mihakasika gny amigny fitsotoha gny tegna amigny fahafatesa, tsy nivinakinareo va gny tao amigny bokin'i Mosesy, ao amigny andala mikasiky gny voaroy, gny safan-Dragnahary tamigny fa nivola hoe: ''Zaho ilay Ndragnahary gn'i Abrahama sy Ndragnahary gn'i Isaka sady Ndragnahary gn'i Jakoba? 27Ia tsy tena Ndraganahary gny fahafatesa, fa agny velo.Sady tena diso gny eritseritrsy nareo.''28Nisy raiky tamindreo mpanora-dalà tamy sady naheno gny safandreo, Jeriny ka novaliany i Jesosy soa reo. Sady magnontanianyt ia hoe: ''Ino gny didy bevata mare aminareo iaby?'' 29Jesosy namaly hoe: ''gny bevata mare gny hoie: ''Mijanjigna, gny tompo Ndragnaharintsika, nareo Israely, fa raiky gny tompo. 30Tsy maintsy mitia gny tompo Ndragnahary aminy gny fonao iaby, aminy gny sainao iaby, aminy gny eritreritsao iaby, sy aminy gny herinao iaby. 31Itay gny didy faharoa: 'Tsy maintsy mitia gny mamanao mitovy gnaminy gny vatanao iha! Tsy hisy didy hafa bevata hihoatsy noho ireo iha.'''32Nivola mpanora-dala igny hoe: ''Soa lehy zaho, ho anareo mpampianatsy! Nambaranareo marina fa Ndragnahary lehy raiky avao. 33Ary tsy hisy olo hafa akoantsiny agny. Ary gny mitia amigny fi iaby sy amigny sainao iaby sy gny herinao iaby, sy gny namanao iaby mitovy amin'ny gnainao, dia soa lavitsy mihoatry gny fanboloranao fanatitry horoa sy gny sorona iaby. 34Lafa jerin'i Jesosy fa magnome vali-tsafa hendry i, ka nivola taminy I hoe: ''Tsy lavitry gny fanjakan-dragnahary iha.'' Ary tafaran'zay, dia tsy nisy olo nijoro mametraky fagnontania tamin'i Jesosy ihany.35Namaly Jesosy, lafa nampianatry tao amin'ny tempoly i, dia nivola hoe: ''Ino moa nambarany mpanora-dalagna fa Kristy dia gnanak'i Davida? 36Davida vatany, tamin'ny Fanahy Masy, nivola hoe: ''Gny Tompo nivola tamin'ny Tomnpoko hoe: '' Mifitaka eo an-tagnako tombohinao. 37Davida vatany aza nikaiky azy hoe: ''Tompo; ino lehy ro maha gnanak'i Davida an'i Kristy toy?'' Nijanjy azy taminy hafalia nareo fakonolo mare be toy.38Tamin'ny fampianaran'i Jesosy ka nivolagniny hoe: ''Mitahoa nareo amin'ny mpanora-dala ireo, fa izy tia mitsotatsotaky sady manao akanjo lava ary tean'izy ireo gny fandraisa-tagna niazondreo egny ampivarota. 39Ary tiandreo gny mahazo gny seza voalohany agny amin'ny Synagoga sy gny toera voalohany agny amin'ny fety. 40Mandrobaky gny tranondreo mavesatry tegna reo, ary manao vavaky lava be mba ho jerin'ny olo. Ireo johary reo dia handray fahameloha bevata mare.''41Tonga teo Jesosy nifitaky nifanandrify gny vatan-drakitra tao amin'ni faritry gny tempoly; nijery ireo olo iaby izay nandatsaky vola tao amin'ny vatan-drakitry. Mpanankana maro ro nandatsaky vola maro dia maro tao. 42Dia nisy ampela sahira bevoka raiky niavy nandatsaky farantsaky roa, zay kaly variroaventy ohary amin'ny iraimbilanja.43Dia nikaiky ireo mpianatry sady hoe i tamindreo hoe: ''Ambarako aminareo marina tokoa, ka ity ampela sahira bevoka ity ro nandatraky maro be mihoatry amin'olo zay nandatsaky vola tao anatiny vatan-drakitry. 44Tokony gny olo iaby ro hagnome fanagna be dreo. Ka itoy ampela bevoka itoy tokoa. Tamin'ny fahasahiragna, dia nandatsaky gny vola iaby zay satria hivelomany tao.''

Chapter 13

1Lafa niala tao an-kianjan'gny tempoly Jesosy, ro nivola tamy gny raiky tamindreo mpianatsy hoe:" Mpampianatsy e, enteo gny hasoa gny vato voho gny hasoa gny rafitsiny!" 2Hoy i taminy hoe:" Jerinao va rafitsy bevata reto? Tsy nengany hisy vato ndre raiky hifanongoa io ka tsy ho rava."3Lafa nipetraky t'antendrombohits'Oliva tandrify gny tempoly I, de nagnontany azy antsokosoko Petera, Jakoba, Jaona , Andrea hoe:" 4Volagno aminay ,ombia moa ho avy zao raha iaby zao? Ino iaby moa gny famantara laha ho avy raha reo?"5Jesosy nanomboky nivola tamin-dreo hoe:" Mitandrema mba tsy hisy olo hagnabio lala anareo. 6Fa ho maro moa gny ho avy amy gny agnarako sady hagnambara hoe:" Zaho ro I, sady maro gny ho voafitaky.7Lafa mahakasa aly voho resaky momba gny aly nareo, ka taitry avao; fa reo tsy maintsy hoavy , fa mbo tsy henaniky zao gny farany.8 Fa hisy firenea hamango firenea, sady hisy fanjaka hamango fanjaka. Ka hisy horohoron-tany amy gny toera maro, sady hisy mosary. Manahaky an'izay gny fiandoha gny fahoria amy gny fiteraha.9Mitandrema nareo. Fa hatolotrin'dreo amin'gny Synedriona nareo, sady ho vangoindreo amy synagoga. Hijoro aloha gny mpanapaky voho gnazy mpanjaka reo nareo noho gny baka Amiko, ho vavolombelondreo.10 Fa gny filazantsara ro tsy maintsy ho toria agny amy gny firenea iaby aloha.11Lafa manambotry voho manolotry anareo reo, laha ka magnahy gny tokony hambaranareo nareo. Fa amy gny fotoa io, ro hagnomezanareo ze tokony ho volagninareo; tsy ho nareo mihintsy ro hivola, fa gny Fanahy Masia. 12Gny rahalahy hanolotry gny rahalahiny ho vonoa, de gny raiky hanolotry gny anakiny. Gny anakiny hirengy habe oro hanohitry gny babany amy neniny ka hamono andreo. 13Habokahy gnolo iaby nareo noho gny agnarako. Fa ndre ia ia ro hiaritsy hatramy farany, ho voalomba olo io.14Lafa hitanareo mitsotaky eo amy gny tsy tokony hitsotahany gny fahavetaveta gny fandrava ( aoka hisay ze mamaky), engao ze baka Jodia iaby hamembaky antendrombohitsy egny, 15ze antampon-tragno engao tsy hijotso an-tragno fa hiala handositsy na hamoaky gny raha bakaminy, 16de ze baka an-katsaky agny tokony tsy himpoly hangala gny lambany koa.17Loza ro ho azo gny ampela mavesatsy voho mampinono amy gny gnandro io! 18Mivavaha nareo mba tsy ho amy gny gnandro asotsy ro hiavia gny raha zay.19 Fa hisy fahoria bevata, ze mbo tsy nisy bakamy voalohany, lafa nagnamboatsy zao tontolo zao Ndzagnahary, mandrak'androany, tsy hisy koa , sady tsy hisy an'izao koa gnagny laha mandrakizay. 20Sady laha tsy hoe nahenan'ny Tompo andro io, de tsy hisy nofo ho voalomba. Fa noho gny olo voafily, de nahenany manahaky an'izay koa gnandro zay.21Lafa misy olo mivola hoe:" Enteo moa, atoy Kristy zao! na koa hoe:" Enteo moa, eroy i! laha ka mino an'izao nareo. 22Fa hisy Kristy sandoky voho mpaminany sandoky hiboaky mbetia mberoa sady hagnatoro gny famantara miharo fahagaga, andesiny hamitahany anao, ndre i ro olo voajobo, laha azo atao. 23Miambena! Fa nivolagniko taminareo taloha tagny raha iaby reo.24Afara gny fahoria amy gny andro reo, de ho mahiky gny masoandro, gny vola hagnome hazava, 25gny vasia ihintsa baka an-dagnitsy, hery baka an-dagnitsy ho voahozohozo. 26Ka ho jerin'ny Anakolombelo baka amy gny rahona amy gny hery voho gny voninahitsy.27 Hagniraky gny anjeliny i ka hamory gnazy voafily baka amy gny vazan-tany efatry, baka amy gny farany gny tany laha potitsy amy farany gny lagnitsy.28Mangala leso baka amy gny hazon'aviavy. Laha vo tomiry voho mamihy gny raviny , de fa hainareo fa mariniky gny lohatao. 29Manahaky an'izay koa, laha vo jerinareo mijoalajoala raha iaby reo, fa hainareo fa mariniky i, magnariniky gny vavahady.30Volagniko aminareo, laha to vatany, fa taranaky toy tsy ho lany paraky hitsanga gny raha aby zao. 31Ho rava gny lagnitsy voho gny tany, fa gny safako koa ho velo mandrakizay. 32Gny mahakasiky gny andro na lera io, tsy hisy ahay, ndre anjely reo, ndre gny gnanaky, fa gny Ray avao.33Mitandrema soa! Miambena, fotony tsy hay gny lera. ( Fagnamariha: Fahefa taloha reo hoe: Mitandrema soa! Miambena sady mivavaha, fotony ...) 34Zay ro manahaky gny johary raiky handeha lavitsy nagnenga gny tragnony, samby amy gny fijaleany, nandidy gny mpiamby i mba tsy hiroro.35Miambena, fotony tsy hainareo hoe ombia ro hiavia gny tompon-tragno; mety ho andro haliky zay, na sasakaly, na magneno akoho, na maraindray. 36Fa laha avy tampoky i, ka enga ahita anareo miroro i. 37Ho volagniko aminareo de ho volagniko amy gny olo iaby hoe: Miambena!"
Chapter 14

1Roa andro taloha gny niavian'ny Paska sy gny fankalaza gny fihinana gny mofo tsy misy masirasira tamin'izay. Nila fomba hisambora an'i Jesosy mangingina gnazy lohan'ny mpisoro sy mpanoradalana mba hamonoan-dreo azy bakeo.2 Kanefa nivola reo hoe: "Aleo tsy amy gny andro fety toy, mba tsy hampitabataba olo."3Laha tà Betania tantragnon'i Simona boka Jesosy, laha nipetsaky tandatabatsy teo, laha nisy ampela raiky namonjy azy ninday siny alabastara misy menaky lafo vily, narda tsy misy fangarony. Nivinakiny siny iny bakeo nararakiny tamy gny lohany.4 Nampasiaky gn'olo sasany nefa zay. Nifampiresaky reo ka nivola hoe: "Ino gn'antony fandania fahatany zao?"5 I menaky magnitsy io raha afaky navily mihoatsy gny denaria telonjato, ka namea gny nahantra." Nasiaky amy gny ampela igny I bakeo.6Kanefa Jesosy nivola hoe: "Engao I. Magnino nareo manao raha mampalahelo azy? Raha soa raha nataony tamiko.7 Gny mahantra tsy raha hiala aminareo sady afaky hanao asa soa ho an-dreo avao nareo amy gny fotoa iaby iaby; fa zaho tsy afaky hipetraky aminareo eo isanandro.8 Nataony iaby ze azony natao: nanosotsy gnaiko ho amy gny fandevena izy.9 Ambarako aminareo soa, ndre aia ndre aia hitoria gny filazantsara manera zao tontolo zao, hambara andreo gny raha natao gny ampela io, mba hahatiarova azy.10Bakeo Jodasy Iskariota, raiky tamin-drozy roa ambign'ny folo lahy, nandeha namonjy gnazy lohan'ny mpisoro reo I soa ahafahany hanolotsy azy amindreo.11 Lafa nahare an'izay lohan'ny mpisoro reo laha faly ka nampanantena hanome vola azy. Laha nanomboky nitady hevitry hanolora azy andreo I.12Tamy gny andro voalohany fihinana mofo tsy misy masirasira, lafa nanao soro gn'osy gny Paska, nivola taminy mpianatrin'ireo hoe: "Aia gny tany tianao handehananay hikarakara gny hany, mba hihinananao gny sakafon'ny Paska?"13 Nagniraky roa tamy gny mpianany I ka nivola hoe: "Mandehana antana agny, fa hisy Johary minday siny feno rano hifankatojo aminareo. Horiho nareo I. 14Ze tragno hilirany, horio I bakeo ambarao gny tompontragno hoe: 'Hoy gny mpampianatsy: "Aia gny efitsy fandrambesa vahiny hahafahako miaraky mihina gny Paska miaraky amin'ny mpianatriko reo?"'15Hanoro efitry bevata agnabo etage sady fa maro enta fa vonona soa I. Ataovo iaby gny fanomana iaby ho antsika."16 Roso amin'izay mpianatry ka nihazo gny tana. Hitandreo araky gny efa nambarany andreo gny raha iaby, bakeo nagnome gny hanin'ny Paska reo.17Lafa hariva gnandro, niavy niaraky tamy gny roa ambign'ny folo lahy I.18 Lafa nipetraky tan-databatry sy nihina reo, nivola Jesosy hoe: "Volagniko marina aminareo iaby miaraky mihina amiko etoa fa raiky aminareo hamadiky ahy."19 Nalahelo aby reo iaby, ka nivola taminy tsiraikidraiky hoe: "Tsy zaho mihintsy zay?"20Namaly Jesosy ka nivola andreo hoe: "Raiky aminareo iaby reo, raiky miaraky nagnatsoboky mofo amiko, anaty finga henaniky zao."21 Gny gnanakolo handeha amy gny lala fa nivolagnin'ny Soratry Masina momba azy. Fe loza ho an'izay lelahy namadiky. Soa ho azy laha tsy teraky I."22Laha mbo tampihinana teo reo, nangalaky gny mofo Jesosy, nisaotry bakeo nizara. Nameany andreo sady nivola i hoe: "Rambeso, fa vatako ty."23 Nandramby gny kapoaky I, nisaotry bakeo nanolotry anizay andreo, ka nino reo iaby.24 Nivola tamindreo I hoe: "Toy gny lio gny fagnekempihavanako, lio alatsaky ho agn'ny maro.25 Volagniko marina aminareo, tsy hino sasy gny vokatry gny voaloboky ty aho mandrapahavy gny andro hinomako azy ndraiky agny amy gny Fanjaka-Ndragnahary."26Lafa baka nihira fidera reo, nandeha antendrombohitr'Oliva.27 Jesosy nivola tamindreo hoe: "Hanenga ahy nareo iaby reo satria fa voasoratsy hoe: 'Hagnafay gny mpiandry osy aho ka hiparataky gny ondry.28Fa lafa baka nitsanga amy gny maty aho, ka hialoha lalà anareo a Galilia." 29Namaly Petera hoe: "Ndre hanenga iaby gny raha iaby, zaho tsy mba handao."30Namaly azy Jesosy hoe: "Ambarako soa aminareo, fa androany haliky, ndre mbo tsy magneno indroa gny akoho, fa handà ahy intelo anao."31 Nivola koa Petera hoe: "Ndre tsy maintsy hiaraky maty aminao aza zaho, tsy mba handa anao." Samby nampanantena manahaky an zay iaby reo.32Niavy tamy gny toera atao hoe Getsemane reo, ka nivola tamy gny mpianatry Jesosy hoe: "Mipetraha etoa laha mbo mivavaky aho."33 Nandramby an'i Petera sy Jakoba ary Jaona niaraky taminy I, bakeo nanomboky nalahelo sady nijaly tanteraky.34 Ka hoy I tamindreo hoe: "Mijaly loatry gny fanahiko, laha io fa ho maty. Mipetraha eto ka miembegna."35Gnanalavitry kelikely Jesosy, niankohoky tamy gny tany, nivavaky laha hoatry ka mba azo atao, ka hiala aminy zao lera zao. 36Mbo hoy koa I hoe: "Aba, baba oh, gny raha iaby hainao atao. Alao amiko ty kapoaky ty. Fe aoka tsy ho gny sitrapoko ro hatao, fa gnanao"37Nimpoly i ka nahita an dreo niroro, ka nivola tamin'i Petera I hoe: "Simona, ,miroro va iha? Tsy nivitanao va niamby lera raiky? 38 Miambegna la mivavaha mba tsy hiliranareo amy gny fakam-panahy. Gny fagnahy mety mazoto tokoa, fa gny nofo ro malemy." 39Roso ndraiky I nisintaky bakeo nivavaky, sady nagnampoly gny resaky nataony taloha teo.40Nimpoly ndraiky I ka nahita andreo niroro, fe fa navesatsy gny torimaso dreo ka tsy hitandreo ze ho volagny taminy.41 Namonjy fagnintelony I ka nisafa tamindreo hoe: "Nareo ty mbo miroro sy mangala morimoritsy avao? Mba fa ampy zay. Gny fotoa fa avy. Henteo! Gnnaky gny olo nivaliha bakeo hatolotsy antagna gny mpanota. 42Mihonjona, handeha tsika. Henteo fa marikitsy eto avao gnazy hamaliky ahy.43I mbo tampivolagna teo, niavy Jodasy, raiky amy gnazy roa ambignifolo lahy, niaraky tamy gny vahoaky maro ninday sabatsy sy langilangy baka amy gny loha gny mpisoro, mpanora-dalàgna sy gny loholo.44 Gnazy mpamadiky igny nagnome famantara andreo, ka nivola hoe: "Ze orofako eo, zay ro I. Samboro, bakeo embeno soa."45 Lafa niavy Jodasy, namonjy agn'i Jesosy sady nivola hoe; "Raby" sady nagnoroky azy I. 46Bakeo nisinambotsy ndreo Jesosy.47Nisy raiky tamindreo nitsanga namoaky gny sabatsiny sady namango agny mpanompo gny mpisorom-be ka nanapaky gny sofiny.48 Ka hoy Jesosy tamindreo; "Niavy hisambotsy ahy, toy gny hisambotsy dahalo, miaraky sabatsy sy langilangy va nareo?49 Tamy gny zaho mbo taminareo teo, isanandro, nampianatsy tan-tempoly tao, tsy nisinambotsy nareo. Fa natao zao raha zao mba hahatanteraky gny soratry Masina."50 Nanenga azy iaby ndre gnazy niaraky tamign'i Jesosy ka nivony.51Nisy tovo lahy raiky, tsy nisiky afa tsy siky hariva nagnaraky agn'i Jesosy. Lafa nisinambotsy gnolo I.52 Nengany teo gny sikiny ka roso nilay tsy amin-tsiky I.53Nandesindreo tamy gny mpisorom-be Jesosy. Niaraky niango tamigny teo iaby gny mpisoro iaby, gny loholo sy gny mpanora-dalàgna 54Petera nagnaraky azy baka alavitsy egny, la avy amy gny tokontan gny mpisorom-be. Nipetsaky takaiky gny mpiamby reo I, namindro takaiky gny motro teo.55Ka lohan'ny mpisoro reo sy gny Synedriona Jiosy, nila vavolombelo manohitsy agn'i Jesosy soa hahafahan-dreo hamono azy. Fe tsy nahita reo. 56Maro gny nanendrikendriky azy ho vandy, nefa gny hendrikendriky ndreo tsy raha marina iaby.57Mbo nisy olo hafa koa nitsanga, nivola azy ho mpavandy, ka hoy reo hoe:58 "Nirenay I nivola hoe: 'Ho ravako agny tempoly natao tamy gny tagna ty, ka anatin'ny telo andro, hananga raiky hafa tsy natao tamy gny tagna."'59 Fe mbo tsy nifagnaraky avao gny hendrikendriky dreo.60Gny mpisorom-be nitsanga tamindreo teo, ka nanontany an'i Jesoa hoe: "Tsy mana raha havaly va iha? Ino raha hanendrikendreha gny olo reto anao zao?"61 Nangina I sady tsy nivola ndra ino ndra ino. Mbo nagnontany azy ndraiky gny mpisorom-be ka nivola hoe: "Anao va Kristy io, Gnanaky gnazy voatahy?"62 Namaly Jesosy hoe: "Eka zaho ro I; ho hitanareo gnanaky gn'olo lafa mipetsaky an-tagna kavana gny herindragnahary sy baka amy gny raho gny lanitsy."63Gny mpisorom-be nanataky gny fisikinany sady nivola hoe: "Mbo mila vavolombelo avao va tsika?64 Fa renareo gny fivolagna-ndraty. Ino gny fanapahan-kevitsy nareo?" Reo iaby samby nagnameloky azy, laha io olo mendriky ho maty.65 Gny sasany nanomboky nandora azy sady nagnaro gny tarehigny sady namogno azy ka nivola tamigny hoe; "Maminania!" Nangala azy gny manam-boninahitsy sady namango azy.66Tambany tamy gny kianja teo Petera, nagnanto azy gny raiky tamy gny mpanompo vavy gny mpisorom-be.67 Nahitaky an'i Petera nitsanga namindro tamy gny motro teo I, nodinihiny mariniky soa. Bakeo nivola taminy I hoe: "Anao koa niaraky tamign'ilay Nazarena, Jesosy."68 Nandà an'zay I, ka nivola hoe; "Tsy haiko sady tsy azoko raha volagninao." Bakeo roso niala tamy gny kianja teo I. [Fanamariha: gnazy fandika sasany manampy hoe: "La nagneno gn'akoho," fa fandika taloha tena soa tsy nisy an'ny safa io.]69Fa gnanak'ampela nahita azy teo nanomboky nivola tamy gny olo nitsanga magnodidy teo ndraiky hoe: "lelahy io, agnisany raiky amindreo regny!" 70Fe mbo nandà ndraiky I. Betibetiky teo, nivola gnazy nitsanga tamign'i Petera hoe: "Raiky amindreo mihintsy iha, satria iha koa Galiliana."71Fa nanomboky nagnozo gn'ainy I sy nisomonga hoe: "Tsy haiko lelahy volagny nareo zao."72 Niaraky tamy gny zay nagneno fanindrohany gn'akoho. Bakeo nahatiaro gny resak'i Jesosy tamy gn'i Petera hoe: "Laha mbo tsy magneno fanindrohany gn'akoho, mbo handà ahy intelo iha," Nalahelo mare i sady nitomagny.
Chapter 15

1Vo maraindray mangoatignana gnandro, nifamory reo mpisoro miaraky amin'ireo loholona voho gny mpanora-dalagna voho Synedriona Jiosy iaby.2 Nagnontany i Pilato manao hoe:" Iha va ro mpanjaka gny Jiosy? Namaly i ka zao gny safany hoe:" la to zay." 3Nagnatoro fitoria maro manohitsy an'i Jesosy gny mpisoro.4Nagnontany ndraiky Pilato hoe:" Tsy misy havaly va iha? Enteo gny hamaroa gnolo mitory manohitsy anao reo.5 Fa tsy namaly resaky koa Jesosy , ka nahatseriky an'i Pilato.6Lafa niavy gnandro fisinisinia, nangataky gadra raiky tamin'i Pilato gny fokonolo mba habototry. 7Nisy johary raiky gadra miaraky amy gny olo mpamono olo gny agnarany Barnabasy. 8Namonjy an'i Pilato gny fokonolo sady nangataky mba hampihara gny fomba taloha.9Namaly Pilato hoe:" Tianareo va laha gny Mpanjaka gny Jiosy ro hameako anareo?10 Fotony hain'i Pilato soa fa mialo an'i Jesosy gnazy mpisoro reo. 11Narisikindreo gny fokonolo mba handresy lahatsy an'i Pilato hamoaky gny Barabasy12Nagnontany Pilato hoe:" Ka ino hataoko akory zao Mpanjakan'i Jiosy? 13Mbo nitabataba avao reo hoe: Fantsio I!"14Ka hoy Pilato tamindreo:" Fa ino moa gny raha raty nataony mbo nikiakiaky avao gny fokonolo hoe:" Fantsio I." 15Nabotorin'i Pilato Barabasy mba ahafa-po andreo. Kinabokaboky i bakeo nalefany mba ho fantsihy.16Nandesy gny miaramila regny I bakeo natoby ( toera famangoa olo mpanao raty teo), t'agnivo gny toera gny fanjaka teo, sady navory gny miaramila iaby. 17Nampanaovindreo siky volo-parasy Jesosy , bakeo nametrahandreo satroky misy fatiky amy gny lohany. 18Zao safan-dreo lafa reo nagnosafy azy:" Nahoa Mpanjaka gny Jiosy!"19Kinabokabokindreo tamy gny Pilatry i sady mbo nandora taminy. Nandohaliky talohany teo reo nanao kisary nandrengy Azy 20Lafa baka nikizaky azy reo, nampanaovindreo azy ndraiky sikiny taloha igny sady nalaindreo raiky voloparasy igny bakeo nandesindreo niboaky I ho fantsihy. 21Nisy johary raiky nandalo atao hoe SimonaKyreniana baba niteraky an'i Aleksandra voho Rofosy, nitanderindreo i hilanja gny hazo mavesatsy hamantsiha an'i Jesosy.22Nandesindreo tamy gny tana atao hoe Gologota i Jesosy ( gny dikany Harankan-doha). 23Nafangarondreo gny divay miaraky amin'i miora bakeo nameandreo azy fa i Jesosy tsy nahefa nagnately.24 Nofantsihiny i Jesosy bakeo, notatahy gny akanjony sady zinarazara gny miaramila regny teo.25Tamy gny telo folak'andro namantsihandreo an'i Jesosy. 26Nasiandreo soratry t'ambony hazo tegny hoe:" Mpanjaka gny Jiosy."27 Johary roa lahy nifantsihy miaraky taminy teo, raiky ankavana, raiky ankavia. 28[ Fagnamariha: gny fandika teny soa taloha ro tsy magnisy Marka 15: 28 hoe: Tanteraky gny soratry Masina manao hoe:"" Natao ho agnisa gny mpanota koa i." ( Ampitahao amin'i Lioka 22: 35)]29Gny olo ze nandalo samby nandatsa Azy iaby nivola hoe:" Haky e! Iha ro nandrava gny tempoly sady nagnory azy tagnaty gny telo andro, 30vonjeo gnainao bakeo miala amy gny hazo fijalea io Iha"31Ndre gny lohandoham-pisoro koa nandatraazy miaraky amy reo Mpanora-dalagna nivola hoe:" Namonjy gny hafa Iha ka gnainao koa tsy ho voavonjinao.32 Engao i Kristy Mpanjaka gny Israely hizotro baka amy gny hazo fijalea, mba ho enteanay gny fizotroanao bakegny sady nandatra azy koa gnazy niaraky taminy reo.33Lafa maiziky gny tany nanomboky tamy gny lera faha tsota hariva laha domo tamy sivy haliky. 34Nikorakoraky tamy gny feo mare Jesosy nivola hoe:" Helofo, Helofo, lamà sabaktany?" nandika hoe:" Ndzagnahary, laha vitanao gny nahafoy Ahy?35 Gny sasany mbo teo nahare Azy nangataky hoe:" Enteo moa, mikaiky an'i Elia I."36Nisy olo raiky nitsanga namoso sipaonjy miaraky divay bakeo nampinomony an'i Jesosy , sady nivola azy hoe:" Ao mba ho enteanay i Elia hanjotro anao bakegny zao."37 Bakeo Jesosy nikoiky mare didiky i laha afaky gnainy. 38Tataky sady nizara roa baka agnabo egny laha potaky ambany gny tempoly.39Lafa jeriny kapiteny fa maty niaraky tamy zay Jesosy hoy i hoe:" Anaky Ndzagnahary vatany Johary ty." 40Nisy ampela nagnenty azy teo agnatiny zay ko i Maria Magdalena, Maria nenin'i Jakoba zainy voho Josesy) ,Salome.41 Tamindreo mbo t'a Galilia ro nagnaraky azy avao. Sady mbo nisy ampela maro baka Jerosalema.42Tamy gny andro hariva aloha gny sabata.43 ka niavy teo Josefa baka Arimatia. Mpikamba baka Synedriona i, gnazy niamby gny Fanjaka Ndragnahary . Nisy fandrisiky i ka roso namonjy an' i Pilato hangataky gny fatin'i Jesosy. 44Tseriky Pilato fa maty Jesosy lafa kapiteniny nivola azy.45Lafa bakeo nameany Pilato an'i Josefa gny fatin'i Jesosy.46 Nivily hariry maliniky Josefa bakeo nilombofany amy hariry gny fatin'i Jesosy zay vo natsofoky andolo tagny. Sady nakatokiny varavara vatao tamy gny lolon'i Jesosy .47 Jerin'i Maria Magdalena voho Maria nenin'i Josesy gny toera nandevegna Azy.
Chapter 16

1Lafa tampitsy gn'andro sabata,nivily raha magnitsy hosora aminy fatin'i Jesosy i Maria neniny Jakoba, Salome nivily hagnitsy soa mba handeha ka hagnosotsy gny fatin'i Jesosy. 2Vo maraindray be gn'andro voalohany tamy herign'andro,nandea tan-dolo tegny reo lafa niposaky gny masoandro3Nifampiresaky reo hoe: "Ia ro hangala gny vato am-baravaran-dolo ho gn'antsika?" 4Lafa niandra reo,nahita fa ,fa nisy nangala teo vato igny; vato bevata be igny.5Nilitry tan-dolo tao reo,nahita johary nisiky foty,nipetraky tam-baravara teo,tseriky amizay reo. 6Hoy I tamindreo: "Ka mavozo.Mila an'i Jesosy nareo,gnazy Nazarena nifantsihy igny. Nitsanga I,tsy teo I. Henteo gny toera nametrahandreo Azy. 7Mandehana,volagno mpianatriny sy Petera fa hialoha lala anareo a Galilia i. Agny ro ahitanareo Azy,araky gny nambarany taminareo".8Niboaky reo kanilay niboaky gny fasa;nangovitry sady tseriky reo. Tsy nivola ndre ino ndre ino tamin'olo reo fotony navozo mare.9[Fagnamariha: gny fandika taloha soa mare de gny magnala gny Marka 16: 9_20]. Vo maraindray tamy folo andro voalohany herign'andro, tafarany nitsanganany,niseho taminy Maria Magdalena aloha I,gnazy nandroasany demonia fito .10 Roso Maria sady nagnambara gny vaovao tminazy niaraky tamy Jesosy; laha mbo nisaona sy nitagny reo.11 Ren-dreo fa velo I sady nahitaky Azy I ,fe tsy nahatoky reo.12[Gny fandika taloha soa mare de mangalaky gny Marka 16: 9_20]. Tafarany raha iaby reo Jesosy niseho soraky tamy roa tamindreo,laha handeha an-tana agny reo. 13Roso reo ka nivola tamy mpianatry sisa tavela,fe tsy nino reo.14[Fagnamaria: Gny fandika taloha tena soa, mangalaky gny Marka 16: 9_20]. Tafara kely teo niseho tamy raiky ambin'ny folo lahy Jesosy reo mbo tam-pihinana teo,nagnanatry mare nohony tsy finoa sy gny hamafy gny15 fon-dreo,fotony tsy nino iaby,ze nahita Azy tafany nitsanganany taminy fahafatesa. Ka hoy I tamindreo: " Mandehana nareo amign'izao tontolo izao,torio amign'olo iaby gny filazantsara. 16Ze tsy mino sy hatao Batisa ro ho vonjea,fa ze tsy mino ro ho helohy.17[Fagnamariha: Gny fandika taloha soa mare de mangala Marka 16:9_20]. Reto famantara reto de hagnaraky gnazy mino reo; amign'agnarako ro hagnaboahandreo gny devoly. Hivola aminy fivolagna vaoavao reo. 18Handramby menaraha aminy tagna reo sady hino raha mahafaty,fe tsy hampagnino andreo zay. Hametraky tagna aminy magnelo reo,de ho janga regny".19[Fagnamariha: Gny fandika teny soa mare de mangalaky gny Marka 16: 9_20]. Lafa baka niresaky tamindreo gny Tompo,de nampiakary tan-dagnitry agny I sady nipetraky an-tagnakavagnan'i Ray ankavanan-NDzagnahary. 20Roso nitory tagny gny mpianatsy,gny Tompo niaraky niasa tamin-dreo sady nagnamafy gny safa tamindreo taminy alalagny famantara niaraky tamindreo.

Luke

Chapter 1

1Maro reo niezaky nanoratsy tantara mikasiky reo raha niseho ze tanteraky tamintsika teto, 2araky gny fa nanoloran-dreo azy tamintsika, ze fa vavolombelo nanatri-maso sady mpanompo gny safa baka amy gny voalohany. 3Sady amiko koa otrany mety avao, lafa nanadihady soa gny fandehan-draha baka am-boalohany, gny hanoratsy tatitsy araky gny filaharany ho anao, ry Teofilo mendriky indrindra. 4Mba hahaizanao gny marina momba reo raha nampianary anao.5Tamy gny andron'i Heroda, mpanjaka gny Jodia, nisy raiky tamy gny mpisoro ze kahia hoe Zakaria, baka amy gny antokon'i Abia. Gny valiny baka amy gnanaky ampelan'i Arona, ka gny anarany de Elizabeta. 6Samby marina teo anatreha Ndragnahary reo, sady naneky reo didy iaby voho reo fitsipiky gny Tompo. 7Fe tsy nana gnanaky reo, satria momba Elizabeta, bakeo samby fa tena antitsy koa reo roa tamy gny fotoa zay.8Ka zay ro mahakasiky an'i Zakaria teo anatreha Ndragnahary, nanatanteraky reo asa gny fisorona araky gny fifandimbiasa gny isan-tokony. 9Araky gny fomba fanaon-dreo amy gny fisafilia mpisoro tokony hanompo, voafily gny kodia kely hilitsy handoro emboky manitsy an-tempoly gny Tompo eo I. 10Tamy gny lera nandoroa gny emboky manitsy, nivavaky tamonto tegny gny vahoaky iaby.11Nisy anjely gny Tompo niseho taminy ka nitsanga tan-kavana gny alitara nisy gny emboky manitsy. 12Lafa nahita azy i Zakaria, navozo sady heniky gny tahotsy mare I. 13Fe hoy gny anjely taminy: "Ka mavozo, ry Zakaria, fa nijanjiny gny vavakinao. Hitoe-jaza lahy aminao Elizabeta valinao. Jaona ro hatao nareo agnarany.14Hanam-pifalia sy haravoa iha, sady maro koa gny ho faly amy fahaterahany. 15Satria ho bevata eo imaso gny Tompo I. Tsy hino divay na zava-pisotso mahery mihitsy I, sady ho feno gny Fanahy Masina baka an-troky dreniny any.16Maro amy vahoaky gny Israely ro hitoliky amy Tompo Zagnahary dreo. 17Handeha eo aloha gny tarehy gny Tompo amy fagnahy sy gny herin'Elia I. Noho gnantony mba hitolia gny fo gny baba amy gnanaky, mba handehanany gnazy tsy maneky amy lala gny fahendregn'ny marina_mba hanomagna vahoaky fa vono ho an'ny Tompo nihomagny ho Azy."18Zakaria nivola tamy le anjely hoe: "Akory ahaizako any zao? Zaho fa anti-dahy bakeo koa gny valiko tena fa antitsy." 19Ka hoy gny anjely namaly sy nivola taminy: "Zaho ro Gabriela, mitsanga eo anatreha-Ndragnahary. Ka voahiraky aho mba hanambara aminao, handay zao vaovao soa zao aminao. 20Ka intoy! Ho moa iha, ka tsy afaky hivola, mandra-pihavia gny andro hisehoa gny raha reo. Satria tsy nino gny resako iha, ze ho tanteraky amy fotoa voafaritsy."21Ka gny vahoaky sasa-niamby an'i Zakaria. Tseriky noho gny fijanonany maharitsy tan-tempoly tao reo. 22Fa lafa niboaky I, tsy afaky niresaky tamin-dreo. Sady hain-dreo fa nahitaky fahita I tan-tempoly tao. Nanao baiko moa tamin-dreo I ka nijano ho moa. 23Ka lafa niavy gny andro ahatapitsy gny fanompoany, roso noly tan-tragnony tany I.24Tafara gny andro reo, nitoe-jaza Elizabeta ka nivony nandritry gny dimy vola. Hoy I hoe: 25"Zao ro natao gny Tompo ho ahy lafa nitsinjo ahy I mba hangala gny hegnatsiko anatreha gny olo."26Tamy gny fahenim-bolany, nirahin-Ndragnahary gny anjely Gabriela nandeha amy tana raiky tao Galilia kahia hoe Nazareta, 27handeha amy virijiny raiky ze fofom-balina lelahy kahia hoe Josefa. Anisagn'ny taranak'i Davida I, ka gny agnarany virjiny Maria. 28Namonjy azy I ka nivola hoe: "Nahoa, ry lay nosohavy mare! Gny Tompo ho aminao ao." 29Tena very hevitsy tamy resakiny I nanontany gnainy hoe karaza fiaraba manao akory koa zao.30Hoy gny anjely taminy: "Ka matahotsy, ry Maria, fa nahita sitraky tamy Dragnahary iha. 31Hitoe-jaza iha ka hiteraky zaza lahy. Ka gny anarany ho kahianao hoe Jesosy. 32Ho be I ka ho kahia hoe Gnanaky gny Avo indrindra. Gny Tompo Zagnahary hanome azy gny seza fiandrianan'i Davida razambeny. 33Sady hanjaka mandrakizay amy taranak'i Jakoba I, ka tsy hanam-pahatapera gny fanjakany."34Hoy Maria tamy gny anjely: "Akory ro hisehoany zao, mbo tsy niaraky niroro tamy lelahy aho?" 35Gny anjely namaly sady nivola taminy hoe: "Hirotsaky aminao gny Fanahy Masina, ka gny hery gny Avo indrindra ho avy aminao. Lay masy ho teraky ho kahia hoe Gnanaky Ndragnahary.36Intoy, Elizabeta longonao nitoe-jaza lahy ndre fa tamy fahanterany aza. Fa faha enim-bolany gnazy zao, i gnazy nikahia hoe momba. 37Satria tsy misy raha tsy azo tanterahy amy Ndragnahary." 38Hoy Maria: "Intoy, zaho ro mpanompo vavy gny Tompo. Aoky ho tanteraky amiko zay araky gny hafatsy nao." Ka niala taminy teo gny anjely.39Ka tamy andro zay Maria niala ka nandeha malaky tamy tany abo, amin-tanan'i Jodia. 40Nandeha amy tragnony Zakaria i ka niarahaba an'i Elizabeta. 41Lafa nahare gny fiaraban'i Maria i Elizabeta, nibitaky gny zaza tan-kibony tao, ka feno gny Fanahy Masina Elizabeta.42Nanandram-peo sady nivola mare I hoe: "Nosohavy noho gny ampela iaby iha, nosohavy gny nateraky gny trokinao. 43Fa magnino raha zay ro miseho amiko fa neny gny Tompoko ro avy hamonjy ahy? 44Ka izao, lafa niavy tan-tsofiko gny fiaraba nao, nientan-kafalia gny zaza tan-trokiko tato. 45Sambatsy I ze nino fa ho tanteraky reo raha nambara gny Tompo taminy."46Hoy Maria: "Midera gny Tompo gny fagnahiko, 47sady gny fagnahiko nifaly tao amin-Ndragnahary mpamonjiko.48Fa nagnenty gny fahantra gny mpanompo vaviny I. Ka zao, manomboky zao gny taranaky iaby hikaiky ahy hoe sambatsy. 49Satria nanao raha bevata tamiko lay mahefa gny raha iaby, ka masy gnanarany.50Fa maharitsy ho agn'ny taranaky fara-mandimby ze matahotsy azy gny famindram-pony. 51Nampiseho gny heriny tamy sandriny i; sady nanaparitaky reo ze nirehareha tamy gny eritseritsy gny fon-dreo.52Nalany tamy seza fiandrianany gny anaky lahin'ny mpanjaka ka gny ambany nasandratsiny. 53Nataony vintsy raha soa reo ze mosary, fa gny mpanan-draha nataony tsy nana ndra ino ndra ino.54Nanome fanampia an'Israely mpanompony I, mba hahatsiarovany haneho famindram-po 55(araky gny nivolagniny tamy reo babantsika) tamin'i Abrahama voho gny taranakiny mandrakizay."56Nijano nipetraky tamy Elizabeta tokony ho telo vola Maria bakeo nimpoly noly tan-tragnony tany. 57Niavy gny fotoa hiterahan'i Elizabeta gny anakiny ka niteraky zazalahy I. 58Nahare gny famindram-po bevata nataon'ny Tompo taminy gny mpiara-belo aminy voho gny longony, ka niaraky nifaly tamin-dreo.59Ka tamy gny andro faha valo niavy hanao famora gny zaza reo. Hony nikahian-dreo hoe "Zakaria," araky gny agnaran'ny babany I. 60Fa neniny namaly sady nivola hoe: "Tsia. Jaona ro hikahia azy." 61Ka hoy reo taminy: "Tsy misy longonao ho kahia amy gny agnara zao."62Nanao baiko moa tamy babany reo amy gny tiany hatao ho agnarany. 63Nangataky solaitsy fagnorata gny babany ka nanoratsy hoe: "Jaona ro agnarany." Ka tseriky tamy zay reo iaby.64Ka niaraky tamy zay nisokatsy gny vavany ka nafaha gny lelany. Nivola I ka nidera an-Dragnahary. 65Niavy tamin-dreo iaby nanodidy azy teo gny tahotsy. Niparitaky eraky gny tana abon'i Jodia gny raha iaby niseho. 66Ka reo iaby ze nahare nandramby tam-pony ka nivola hoe: "Ho lasa ino ty zaza ty?" Fa momba azy gny tana gny Tompo.67Ka feno gny Fanahy Masina i Zakaria babany ka naminany, bakeo nivola hoe: 68"Deraina anie gny Tompo, Zagnaharin'Israely, fa niavy nanampy sy nanatanteraky gny fagnafaha ho any vahoakiny I.69Nanandratsy abo gny tanjom-pagnavota ho antsika tan-tragnon'i Davida mpanompony I, 70manahaky gny nambarany tamy vava gny mpaminany masy reo tamy andro taloha tagny. 71Hinday fagnavota amy fahavalontsika voho amy gny tanan-dreo iaby nalay antsika I.72Zay ro hataony mba hampisehoany gny famindram-po amy reo babantsika sy hampatiarova gny fanekem-pihavanany Masy, 73lay fihaniana nambarany tamin'i Abrahama babantsika. 74Nihaniana gny hahazoantsika, lafa afaky tamy tana gny fahavalontsika, manompo azy tsy amin-tahotsy, 75am-pahamasigna sy am-pahamarigna anatrehany eo amy gny andro tsika iaby.76Eka, ka iha, ry zaza, ho kahia hoe mpaminany gny Abo Indrindra, handeha hialoha tava gny Tompo iha ka hamboatsy gny lalany, mba hanomagna gny olo amy fiaviany,77 mba hagnome fahalalam-pamonjea ho agn'ny olo amy alala gny famela gny helokin-dreo.78Zany ro hiseho noho gny famindram-po masy gny Zagnahary tsika, noho gny amy zay ro hiposaha gny masoandro baka amy abo mba ho avy hanampy antsika, 79hagnazava reo mipetsaky agnaty gny haiziky voho reo agnaty gny aloky gny fahafatesa. Hataony zay mba hitariha gny tomboky tsika amy lalam-piadagna."80Ka gny zaza nitombo sady nahery amy fagnahy, ka tagn'efitsy tany i mandra-pihavia gny andro hiboahany miharihary amin'Israely.
Chapter 2

1Ka tamy zay andro zay, nandefa didy mibaiko gny hanisaha gny olo iaby miaina amy zao tontolo zao i Aogosto Kaisara. 2Zay ro fagnisam-bahoaky natao voalohany tamin'i Kyrenio mpanapaky ta Syria. 3Noho zay gny olo iaby nandeha amy tana niaviany iaby mba hagnoratsy agnara amy fagnisam-bahoaky.4Nandeha niakatsy ta Galilia koa Josefa, baka amy tana gny Nazareta, ho any Jodia, tanàn'i Davida ze kahia hoe Betlehema, satria I baka amy tragno sady fianakavian'i Davida. 5Nandeha tagny I mba hisoratsy agnara niaraky tamin'i Maria, fofom-badiny sady bevoka.6Laha mbo tagny reo, niavy gny fotoa hiterahany gny anakiny. 7Niteraky anaky lahy I, anakiny voalohany, nandrakotsy siky Azy sady nampiroro Azy tamy fihinanam-bilo I, satria tsy nisy toera ho an-dreo tamy hotely tao.8Nisy mpiamby ondry tamy zany faritsy zany zay nijano tamy saha, niamby gny andian'ondriny tamy haliky. 9Nisy anjely gny Tompo niseho tamin-dreo, ka gny voninahitsy gny Tompo namirapiratsy manodidy azy, ka nisy fahavozoa bevata tamin-dreo.10Nivola tamin-dreo gny anjely nanao hoe: "Ka matahotsy, fa handay vaovao soa handay hafalia bevata ho agny olo iaby zaho. 11Androany nisy mpanavotsy teraky ho anareo amy tanan'i Davida! I ro Kristy Tompo! 12Zao ro famantara homea anareo: Hahitaky zaza madiniky milomboky sikin-jaza miroro amy fihinanam-bilo eo nareo."13Tampoky teo niaraky tamy gny anjely iny, nisy tafiky gny lagnitsy bevata nidera an-Dragnahary nanao hoe: 14"Voninahitsy ho an-Dragnahary baka amy gny abo indrindra, ka hisy fiadagna anie an-tany eto amy gny olo ze ankasitrahany."15Ka lafa niala tamin-dreo teo nandeha an-dagnitsy any reo anjely, gny mpiamby ondry nifampivola hoe: "Andeha tsika zao ho a Betlehema, hanenty raha niseho zao, ze nampahafantarin'ny Tompo antsika." 16Nandeha malaky tagny reo ka nahitaky an'i Maria voho Josefa, nahitaky gny zaza niroro tamy fihinanam-bilo teo.17Tafara gny nahitan-dreo Azy, nampahafantarin-dreo gny raha iaby nivolagny an-dreo momba gny zaza io. 18Tseriky iaby ze nahare gny amy resaky gny mpiamby osy tamin-dreo. 19Fe Maria nagnohy nieritseritsy momba gny raha iaby ze nireny, ka nanajary any raha regny tam-pony tao. 20Nimpoly mpiamby ondry regny, nagnome voninahitsy sady nankalaza an-Dragnahary noho gny raha iaby niren-dreo sady nihitan-dreo, araky gny nambara tamin-dreo.21Lafa tapitsy gny andro faha valo, lafa natao famora I, namea agnara hoe Jesosy, agnara namea gny anjely Azy taloha gny nametraha Azy tan-troky.22Lafa tapitsy isaky gny andro nitakia hiliovany, araky gny lilin'i Mosesy, ninday Azy niakatsy an-tempoly ta Jerosalema Maria voho Josefa mba hanolotsy Azy amy Tompo. 23Araky gny voasoratsy amy lilin'ny Tompo hoe: "Gny lelahy iaby ze teraky voalohany hatoka ho an'ny Tompo." 24Noho zay nanolotsy soro araky gny voalaza amy lilin'ny Tompo reo, "domohina roa na gnanaky voromailala roa."25Ka intoy, nisy lelahy ta Jerosalema, Simona ro agnarany, lelahy marina sady mafana fo. Nila gny fampionona an'Israely I, sady taminy tao gny Fanahy Masina. 26Nambara gny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesa aloha gny ahitan'ny Kristin'ny Tompo I.27Nitarihy gny Fagnahy, nandeha tan-tempoly Simona. Lafa ninday an'i Jesosy zazakely nilitsy gny babany amy neniny, mba hanao Azy araky gny fomba amy lily, 28nirambesiny tan-tsandriny I sady nidera an-Dragnahary ka nanao hoe: 29"Henaniky zao ambelao am-piadagna gny mpanompo nao, ry Tompo, araky gny safanao.30Gny masoko nahitaky gny famonjenao, 31nomagny nao tamy fanatrehagn'olo iaby: 32Fahazava ho fagnambara gny Jentilisa sady ho voninahitsy ho an'Israely olonao."33Tseriky gny baba voho neny gny zaza tamy raha nivolagny mikasiky Azy. 34 Nitso-drano an-dreo Simona sady nivola tamy Maria neniny hoe: "Intoy, zaza voatendry ho an'ny fandavoa sy fagnandrata gny olon'Israely maro sady famantara ze tsy nekea _ 35hisy sabatsy handoaky gny fagnahinao _mba ho voambara gny hevitsy gny fo maro."36Nisy mpaminany vavy raiky kahia hoe Ana teo. Gnanaky ampelan'i Fanoela baka amy foko Asera I. Tena antitsy I. Nipetraky niaraky tamy valiny fito tao tafarany naha virjiny azy I, 37mpitondra tena nandritsy gny efatry amby valopolo tao. Tsy nanenga gny tempoly mihitsy i fa nanompo tamy gny fifadian-kany sy vavaky, andro aman'aly. 38Tamy zay lera zay soa namonjy andreo mariniky i sady nanomboky nanome fisaora an-Dragnahary sy nivola momba gny zaza iny tamy gny olo iaby niamby gny fagnavota an'i Jerosalema.39Lafa nahavita gny raha iaby nampanaovy araky gny lilin'ny Tompo reo, nimpoly ta Galilia, amy tanan-dreo a Nazareta. 40Nihabe gny zaza sady nihanatanjaky, nitombo fahendrea, sady gny fahasoavan-Dragnahary taminy tao.41Gny babany amy neniny nandeha Jerosalema isan-tao hamonjy gny firavoravoan'ny Paska. 42Lafa roa amby gny folo tao I, nandeha any araky gny fomba fatao amy fety reo. 43Ka lafa baka nipetraky tagny nandritsy gny andro fety manontolo reo, nanomboky nimpoly noly reo. Jesosy zazalahy nijano ta Jerosalema nefa tsy hay gny babany voho neniny. 44Nihevitsy reo fa niaraky tamy gny olo niara-dia tamin-dreo I, nandeha nandritsy gny andro raiky manontolo reo. Bakeo nanomboky nila Azy tamy longony sy naman-dreo.45Lafa tsy nihitan-dreo I, nimpoly ta Jerosalema reo ka nanomboky nila azy tagny.46 Lafa niafaky telo andro, hitan-dreo tan-tempoly tao I, nipetsaky tagnivo gny mpampianatsy reo, nijanjy azy reo sady nametsaky fanontania tamin-dreo. 47 Tseriky aby ze nahare Azy noho gny fahalalany sy valin-teniny reo.48Lafa nahitaky Azy reo, laha tseriky mare. Neniny nivola taminy hoe: "Anaky, nagnino iha ro nanao anizao anay? Janjigno, zaho sy babanao nikara anao tamin-tebiteby." 49I nivola tamin-dreo hoe: "Nagnino nareo ro nikara Ahy? Tsy hainareo va fa tsy maintsy ho antragno gny Babako Aho?" 50Tsy raha azon-dreo gny raha tiany ho volagny amy safany zay.51Noly niaraky tamin-dreo ta Nazareta I sady nankatoa an-dreo. Neniny nanajary any raha iaby reo tam-pony tao. 52Jesosy nitombo fahendrea sy nitombo tena, sady nitombo fitia tamin-Dragnahary sy gny olo.
Chapter 3

1Tamy tao faha dimy amby gny folo nanjakan'i Tiberie Kaisara _ tamy Pontio Pilato governoran'i Jodia, Heroda ro mpanapaky ta Galilia, Filipo rahalahiny mpanapaky tamy faritsy Itoria sy Trakonitisy, sady Lysania mpanapak'i Abilena, 2nandritsy gny fisoronam-ben'i Aniasy sy Kaiafa _ niavy tamin'i Jaona gnanaky lahin'i Zakaria tagn'efitsy tany gny tenin-Dragnahary.3Nandeha tamy gny faritsy iaby manodidy an'ny Jordana I, nitory gny batisa gny fibebaha ho famela gny heloky.4Araky gny voasoratsy ao amy boky gny tenin'Isaia mpaminany hoe: "Nisy feo raiky nikaiky mare baka agn'efitsy any hoe: Ataovo vonona gny lalan'ny Tompo, ataovo mahity gny lalan-kombany.5Gny lohasaha iaby ho totofa, gny tendrombohitsy voho gny havoa hahetry, ka gny lala miholaky hamboary mahity, gny toera mikitoantoa hatao lala, 6ka gny nofo iaby hahitaky gny famonjen-Dragnahary."7Ka nivola tamy reo vahoaky ze niavy ho ataony batisa i Jaona hoe: "Nareo ry taranaky gny menarana! Ia ro nampitandry anareo mba handositsy gny fahatezera zay vo ho avy?8Noho zay, mamokara voa mendriky gny fibebaha, sady ka manomboky mivola anatinareo ao hoe: Zahay mana an'i Abrahama ho babanay, mivola anareo aho fa Zagnahary afaky hananga gnanaky ho an'i Abrahama baka amy vato reto.9Ananiky zao gny famaky mipetsaky am-pototsy gny hazo. Ka gny hazo iaby tsy mamoa voa soa ho tapahy ka hatoraky amy motro."10Gny vahoaky tsy nitsahatsy nagnontany azy hoe: "Ino zany ro hataonay?"11 Namaly i ka nivola tamin-dreo hoe: "Laha misy olo mana siky lava roa, tokony mizara an'izay amy ze olo raiky tsy mana, manahaky anizay avao koa ze mana hany.12Mpamory haba regny koa niavy mba hatao batisa, ka nivola taminy hoe: "Mpampianatsy o, ino ro tsy maintsy hataonay?" 13Ka hoy I tamin-dreo hoe: "Ka magnango vola mihoatsy noho ze nampagala anareo."14Miaramila maromaro koa nanontany azy, nivola hoe: "Manao akory gny momba anay?Ino gny tsy maintsy hataonay?" I nivola tamin-dreo hoe: "Ka mangala vola amy gny olo an-keriny, sady ka miapanga vandy olo. Mifalia amy gny karama nareo."15Lafa niamby fatratsy gny fiavian'i Kristy gny vahoaky, nanontany tam-pony tao mahakasiky an'i Jaona gny tsirairaiky, laha mety ho i na tsy i ro Kristy.16 Jaona namaly tamy fivolagna an-dreo iaby hoe: "Laha gny amiko, manao batisa anareo amy gny rano aho, misy olo raiky ho avy ze mahery mihoatsy ahy, sady tsy mendriky aho na de hamaha gny fehin-kapany avao aza. Hanao batisa anareo amy gny Fanahy Masina sy gny motro I.17An-tanany gny fikororoha mba hanadiova soa gny am-pamoloany ao sy hagnangona gny vary ho amy sompitsy. Horoany amy motro tsy mety vonoa gny akofa."18Niaraky tamy fagnanara maro hafa koa, Jaona nitory vaovao soa ho an'ny vahoaky. 19Heroda mpanapaky lafa nagnary noho gny fanambalia gny valin-drahalahiny Herodiasy, voho noho gny raha raty hafa vitany,20 ho fanampia any raha iaby zao, niliny tam-ponja Jaona.21Ka lafa vita batsia aby gny olo iaby, natao batisa koa Jesosy, ka laha mbo nivavaky i, nisokatsy gny lagnitsy, 22ka gny Fanahy Masina nangala endriky ka nijotso taminy manahaky gny voromailala, nisy feo baka an-dagnitry any nanao hoe: "Iha ro gnanako,malalako. Faly zaho noho gny aminao."23Lafa nanomboky gny asa fanompoany Jesosy, teo amy gny telo-polo tao teo I. I ro gnanaky lahin'i (araky gny fihevera) Josefa, gnanak'i Hely, 24gnanak'i Matata, gnanak'i Levy, gnanak'i Melky, gnanak'i Janay, gnanak'i Josefa.25Josefa gnanak'i Matitia, gnanak'i Amosa, gnanak'i Nahoma, gnanak'i Elsy, gnanak'i Nagay, gnanak'i Mata,26 gnanak'i Matatia, gnanak'i Semey, gnanak'i Joseka, gnanak'i Joda.27Joda gnanak'i Joanana, gnanak'i Rase, gnanak'i Zerobabela, gnanak'i Sealtiela, gnanak'i Nery, 28gnanak'i Melky, gnanak'i Ady, gnanak'i Kosama, gnanak'i Elmadama, gnanak'i Era,29 gnanak'i Josoa, gnanak'i Eliezara, gnanak'i Joreima, gnanak'i Matata, gnanak'i Levy.30Levy gnanak'i Simeona, gnanak'i Joda, gnanak'i Josefa, gnanak'i Jonama, gnanak'i Eliakima, 31gnanak'i Melea, gnanak'i Mena, gnanak'i Matata,gnanak'i Natana, gnanak'i Davida, 32gnanak'i Jese, gnanak'i Obeda, gnanak'i Boaza, gnanak'i Salmona, gnanak'i Nahasona.33Nahasona gnanak'i Aminadaba, gnanak'i Adimina, gnanak'i Arny, gnanak'i Hezrona, gnanak'i Fazera, gnanak'i Joda,34 gnanak'i Jakoba, gnanak'i Isaka, gnanak'i Abrahama, gnanak'i Tera, gnanak'i Nahora,35 gnanak'i Seroga, gnanak'i Reo, gnanak'i Palega, gnanak'i Ebera, gnanak'i Sela.36Sela gnanak'i Kenana, gnanak'i Arpaksada, gnanak'i Sema, gnanak'i Noa, gnanak'i Lameka,37 gnanak'i Metosela, gnanak'i Enoka, gnanak'i Jareda, gnanak'i Mahalalila, gnanak'i Kenana,38 gnanak'i Enosa, gnanak'i Seta, gnanak'i Adama, gnanakin-Dragnahary.
Chapter 4

1Tafaran'izay Jesosy, lafa feno gny Fanahy Masina, nimpoly baka amy reniranon'i Jordana, ka nandesy gny Fanahy Masina tagn'efitsy 2nangala gny devoly fagnahy Azy nandritsy gny efapolo andro. Tsy nihina ndra ino ndra ino I nandritsy gny andro reo, fe tamy fotoa farany nahare mosary I.3Devoly nivola taminy hoe: "Laha gnanaky Ndragnahary Iha, didio hivaliky mofo vato io. 4Jesosy namaly azy hoe: "Voasoratsy fa hoe: 'Tsy gny mofo avao ro hiveloma gny olo.'"5Bakeo nandesy gny devoly tamy toera abo Jesosy ka natorony Azy betibety koa gny fanjaka iaby gny zao tontolo zao. 6Devoly nivola taminy hoe: "Homeako anao gny fahefa iaby sy gny famirapiratsiny iaby, satria fa namea ahy reo, ka afaky omeako ze olo tiako omea azy. 7Noho zay, laha miankohoky sy manompo ahy Iha, ho azonao raha zay."8Kanefa Jesosy namaly ka nivola hoe: "Fa voasoratsy hoe: 'Hidera gny Tompo Zagnaharinao iha, ka I raiky avao ro ho tompoinao."'9Bakeo gny devoly nanday an'i Jesosy ta Jerosalema ka nataony tamy fara-tampo gny tempoly, ka nivola taminy hoe: "Laha gnanaky Ndragnahary Iha, atotao baka ety gnainao. 10Satria fa voasoratsy hoe: 'Hibaiko gny anjeliny aminao I, mba hiaro anao,' 11sady, 'reo hanandratsy anao amy gny tanany, mba tsy ho totohitsy gny vato gny tombokinao."'12Namaly azy, Jesosy nivola hoe: "Fa voambara hoe: 'Ka mangala fagnahy gny Tompo Zagnaharinao."' 13Lafa vita gny fangalan'ny devoly fagnahy an'i Jesosy, roso i ka nandao Azy mandra pihavia gny fotoa hafa.14Bakeo Jesosy nimpoly ta Galilia tamy hery gny fagnahy, ka gny vaovao mikasiky Azy fa niparitaky tamy faritsy manodidy iaby. 15Nanomboky nampianatsy tamy Synagoga dreo I ka nidera Azy aby gny olo iaby.16Nandeha ta Nazareta I, tanà nahabe Azy, araky gny fomba fataony, nilitsy tamy Synagoga tamy andro Sabata I ka nitsanga mba hamaky teny mare. 17Natolotsy Azy gny horonan-taratasin'Isaia mpaminany. Nisokafiny boky igny ka hitany gny toera nanorata azy,18"Gny Fagnahin'ny Tompo amiko ato, satria I ro nanositsy ahy hanambara gny vaovao mahafaly ho an'ny mahantra. I ro nandefa ahy hanambara fahafaha ho an'ny babo, ka hagnampoly gny fahitan'ny goa, hanafaky reo ze nampahoria, 19hanambara gny taom-pankasitrahan'Dragnahary."20Bakeo nahoro gny taratasy, nampoly tamy gny mpitandry, ka nipetsaky I. Nibanjy Azy aby gny maso gnolo tamy Synagoga tao. 21Nanomboky niresaky tamin-dreo I hoe: ''Androany ty Soratsy Masina ty tanteraky eo am-pijanjinanareo." 22Gny olo iaby tao nivola soa gny momba Azy sady tseriky tamy tenim-pahasoava naloaky gny vavan-dreo, ka nanontany reo hoe: ''Ka tsy gnanak'i Josefa igny va ty?''23I nivola tamin-dreo hoe: "Azo antoky fa hivola toy ohabola toy amiko nareo hoe: 'Radoko, sitragno tse gnainao. Ndra ino ndra ino renay fa nataonao ta Kapernaomy tao, manaova manahaky anizay amy taninao.'' 24Nefa nivola I hoe: ''Ambarako marina aminareo, tsy misy mpaminany voray amy gny taniny.25Kanefa volagniko marina aminareo fa maro gny ampela mpitondra-tena ta Israely tamy andron'i Elia, laha nihily gny lagnitsy nandritsy gny telo tao sy enim-bola, nisy gny mosary bevata niavy tamy tany iaby. 26Nefa i Elia tsy nahefa na raiky tamin-dreo aza, fa ta Zerapata a Sidona avao, tamy gny mpitondra-tena ze nipetsaky tagny. 27Fa maro gny boka ta Israely tamy andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy nisy ndra raiky tamin-dreo aza nijanga afa-tsy Namana gnazy Syriana."28Gny olo iaby tamy synagoga tao nasiaky iaby lafa nahare reo raha reo. 29Nitsanga reo, nanery Azy hiala gny tana, ka nandefa Azy tan-tampo gny havoa nioregna gny tanan-dreo, mba handavoa Azy amy hantsa. 30Nefa nandeha namakivaky tagnivon-dreo teo I ka roso nandeha tamy toera hafa.31Bakeo i nijotso ta Kapernaomy, tana raiky a Galilia agny, ka nanomboky nampianatsy an-dreo tamy Sabata I. 32Tseriky iaby reo tamy fampianara nataony, satria nivola tamy fahefa I.33Ka tamy synagoga tao nisy lelahy nipetsaha gny fagnahy maloto gny devoly, nikiakiaky tamy feo mare hoe: 34"Ah! Ino ro hifandraisanay aminao, ry Jesosy baka Nazareta? Avy mba hamotiky anay va Iha? Haiko hoe ia iha- le Raiky Masin-Dragnahary!"35Jesosy nivola mare gny devoly, ka nanao hoe: "Ka mivola sady miala aminy ao!" Lafa nagnatoraky any lelahy igny ho lavo tagnivon-dreo gny devoly, la niala taminy tao, sady tsy nanafery azy iaby. 36Tseriky iaby gny olo, ka nanohy nifampiresaky momba anizay. Nivola reo hoe: "Fa safa manao akory le zao?" Baikony amy fahefa sy hery gny fagnahy maloto la niboaky." 37Noho zay nanomboky niparitaky nanera gny faritsy magnodidy gny lazany.38Nanenga gny synagoga Jesosy ka nilitsy tan-tragnon'i Simona. Nampijalia gny tazo mahery gny rafozam-bavin'i Simona, ka niangavy taminy ho azy reo. 39Nijoro talohany teo I ka nivola mare gny tazo, ka nila taminy zay. Nitsanga I ka nanomboky nanompo an-dreo.40Lafa nilentiky gny masoandro, nanday gny olo iaby narary gny arety maro samby hafa tamy Jesosy teo gny olo. Nametsaky tagna tamy tsirairaiky iaby amin-dreo I ka nanasitra an-dreo. 41Gny devoly koa niala tamy maro amin-dreo, nikiakiaky mare sady nivola hoe: "Iha ro Gnanakin-Dragnahary!" Jesosy nivola mare gny devoly ka tsy nanenga an-dreo hivola, satria fa hain-dreo fa I ro Kristy.42Vo maraindray be, nandeha tamy toera mangiky I. Vahoaky maro ro nila Azy ka nandeha amy toera nisy Azy. Reo niezaky nita Azy mba tsy hiala amin-dreo eo. 43Fa I nivola tamin-dreo hoe: "Tsy maintsy mitory gny vaovao mahafaly momba gny fanjaka-Dragnahary amy tana maro hafa koa Zaho, satria zay ro antony naniraha Ahy tetoy. 44Bakeo I nanohy nitory tamy synagoga manera an'i Jodia.

Chapter 5

1Zao gny raha niseho, laha nitangoro nagnodidy an'i Jesosy gny olo ka nijanjy gny tenin-Dragnahary, nitsanga tamoro gny farihin'i Genesareta I. 2Nahita sambo madiniky roa nijano tamoro gny farihy I. Niboaky tao mpihaza regny ka nanasa gny haratony. 3Nilitsy tamy raiky tamy sambokely Jesosy, tamy nan'i Simona, ka nangataky azy mba handefa gny sambony amy rano lavidavitsy gny tanety. Bakeo nipetsaky I ka nampianatsy gny olo ta ivelan'gny sambokely.4Lafa nijano tsy nivola I, niresaky tamy Simona I hoe: "Andeso amy rano laliky kokoa gny sambokelinao ka halatsaho gny haratonareo mba hazahoanareo hazandrano maro." 5Simona namaly Azy ka nivola hoe: "Tompo o, fa niasa nandritsy gny haliky tontolo zahay, fe tsy nahazo ndra ino ndra ino, fa noho gny resakinao, ho halatsako harato retoa." 6 Lafa nataon-dreo raha zay, nahazo hazandrano maro rozy, nitsiatsy hatramy harato ndreo. 7Nanao fihetsiky tamy namany ze tamy sambokely raiky hafa rozy fa reo tokony ho avy hanampy an-dreo. Niavy reo ka nameno gny sambokely roa, ka nanomboky nilentiky.8Fa Simona Petera, laha vo nahita anizay, niankohoky tan-tombokin'i Jesosy, nivola hoe: "Miala amiko, fa lelahy mpanota zaho."9 Tseriky i, sy gnazy niaraky taminy regny, noho gny habevata gny hazandrano niazon-dreo.10 Tagnatin'izay Jakoba sy Jaona, gnanak'i Zebedio, mpiara-miasa amy Simona. Jesosy nivola tamy Simona hoe: "Ka mavozo, fa manomboky zao hagnarato olo iha."11 Lafa nandesin-dreo tan-tanety gny sambokelindreo, nenga dreo gny raha iaby fa roso nagnaraky Azy.12Niseho zao laha mbo tamy raiky tamy tana reo I, nisy lelahy raiky feno haboka teo. Lafa nahitaky an'i Jesosy i, niankohoky taminy ka nitalaho taminy, nanao hoe: "Tompo, laha mety iha, afaky manadio ahy." 13Naninjitsy gny tagnany Jesosy ka nikasiky azy, nivola hoe: "Mety zaho. Madiova." Teo noho eo afaky taminy gny haboka.14Norarany I mba tsy hivola na amin'ia na amin'ia, fa nambarany taminy hoe: "Zory gny lalanao, misehoa amin'gny mpisorona sady manolora sorona ho agny gny fanadiova anao, araky zay nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroany vavolombelo amindreo."15Lafa gny tatitsy makasika Azy sady niely lavitsy tokoa aza, sady vahoaky maro be ro niaraky niavy ba nijajy azy nampianatsy sady mbo ho sitrany amin'gny aretindreo. 16Lafa matetiky I sady niala nandeha agny amin'gny tany avao sady nivavaky.17Sady tamin'gny andro raiky tamindreo andro nampianarany, sady nisy Fariseo sy mpampiana dalà nipetraky teo zay avy amin'gny tanà samihafa ao amin'gny faritsy Galilia sy Jodia, sady avao koa avy ao amin'gny tanàn'i Jerosalema. Gny herin'gny Tompo no tao aminy mba hanasitrana.18Sady nisy johary sasany avy, nanday johary raiky say voany gny paralisisa teo aminy gny fandria, sady nila fomba hagnadesa azy ao anatiny I reo mba hametrahany azy ho eo anoloan'i Jesosy. 19Tsy nahajery fomba hampidira azy tao anatiny I reo noho reo vahoaky, noho zay sady nandeha amin'gny tampo-tragno I reo sady nampilitsy gny fandriany lay johary avy do an-tafo tragno, tamin'gny fandria, teo agnivony gny olo, teo alohan'i Jesosy.20Lafa nahajery gny finoandreo, sady hoy Jesosy hoe: "Ra johary, voavela gny helokao.'' 21Nanomboky nagnontany reo mpanora dalàna sy reo Fariseo, ka nisafa hoe: "Ia moa toy zay misafa raty toy? Ia ro afaky mamela gny fahota afa tsy Andrianagnahary raiky avao?"22Fa Jesosy, nahalala zay noeritseretindreo, namaly sady nisafa azy reo hoe: "Nahoana nareo ro nagnontany zay ao am-ponareo? 23Ino ro mora lambarany kokoa: "Voavela gny helokao sy gny mivola hoe: "Mitsangana sady mandehana?" 24Nefa mba hahaizanareo fa gny Gnanak'Olo ro mana-pahefana hamela heloky eto an-tany, ro ambarako aminao, mitsangàna, entona gny fandria sady mandehana agny an-tragnonao."25Teo noho eo sady nitsanga teo alohandreo I sady nangala lay fandria zay nandriany. Avy eo sady niala nankany an-tragnony I, nagnome voninahitsy an'Andrianagnahary. 26Talanjona gny iaby sady nagnome voninahitsy an'Andrianagnahary I reo. Feno tahotsy I reo, nisafa hoe: "Nahajery raha mahatseriky tsika androany."27Tafarany nitrangandreo raha reo, sady niala teo I Jesosy ka nahajery mpamory hetra raiky zay kehiko hoe Levy nipetraky teo amin'gny tragno lainy gny mpamory hetra. Nivola taminy I hoe: "Manaraha Ahy." 28Sady nitsanga I Levy ka nanaraky azy, ka mamela gny raha iaby.29Sady nanao fanasana bevata tao an-tragnony ho an'i Jesosy i Levy. Betsaky reo mpamory hetra sy reo olo hafa zay nipetraky teo aminy gny latabatsy sady nihina niaraky tamindreo. 30Lafa reo Fariseo sy reo mpanora-dalà sady nitaray tamindreo mpianany, nisafa hoe: "Nahoa ianao ro nihina sy misotro niaraky amindreo mpamory hetra sy gny olo mpanota hafa?" 31Namaly azy Jesosy hoe: "Tsy mila dokotera gny olo salama; fa reo marary avao. 32Tsy avy hiantso gny olo marina ho aminy gny fibebaha zaho, fa nikaiky gny mpanota ho aminy gny fibebaha."33Sady hoy I reo taminy hoe: "Reo mpianats'i Jaona sady matetiky mifaly hagny sy mivavaky, sady reo mpianats'I Fariseo sady manao toy zay koa. Lafa gny mpianatrao sady nihina sy misotro." 34Jesosy nisafa azy reo hoe: "Moa va misy olo mahavita mampifaly hany gny longony gny mpampakatsy raha toa ka mbo mipetraky eo amindreo gny mpampakatsy? 35Fa ho avy gny andro zay hangala gny mpampakatsy eo amindreo, sady aminy zay andro zay sady hifaly hany I reo."36Sady nanao fagnohara tamindreo koa Jesosy. "Tsy misy olo mandrovitsy tapa damba avy aminy gny lamba vaovao sady mampiasa zay mba hagnamboara gny lamba tonta. Lafa manao zay I, sady hanimba lay lamba vaovao, sady lay tapa damba avy aminy lay lamba vaovao sady tsy hifanaraky aminy gny lay lamba tonta."37Tsy misy olo magnisy divay vaovao ao anatiny gny siny hoditsy tonta. Lafa manao zay I, sady hampitsiatra gny hoditsy lay divay vaovao, sady no ho raraky gny divay, sady ho simba lay siny hoditsy. 38Fa gny divay vaovao sady tsy maintsy atao ao anatiny gny siny hoditsy vaovao. 39Tsy misy olo avy nisotro gny divay taloha ka haniry gny vaovao, fa hoy I hoe: "Lay taloha to soa."
Chapter 6

1Sady taminy Sabata no nandeha namonjy an-tanimbary Jesosy sady reo mpianatsy naka gny salohim-bary, nikosoky zay tamin'gny tanandreo reo sady nihina gny voa. 2Fa gny sasany tamindreo Fariseo avao nivola hoe: ''Nagnino nareo ro manao raha tsy ara-dalàna gny manao azy amin'gny andro Sabata?''3Namaly azy reo Jesosy nivola hoe: ''Mbo tsy novakinareo akory va zay nataon'i Davida lafa mosary I, I sy reo johary zay niaraky taminy? 4Nandeha namonjy an-tragnon'Andrianagnahary I, sady nandray gny mofo gny fanatsehany sy nihina gny ampahany taminy zay, sady nomeny ampahany koa gny johary zay niaraky taminy mba hihina, na dia gny mpisorona avao aza ro arahy gny lala raha mihina zay.'' 5Avy eo I nivola tamindreo hoe: ''Gny Gnanak'Olo no tompony Sabata.''6Sady tamin'gny Sabata hafa no nandeha tao amin'gny synagoga I no nampianatsy gny vahoaky tao. Nisy johary raiky maty tana havana tao. 7Nijery akaiky azy soa reo mpanora-dala sy reo Fariseo mba hahita rah hagnasitrana olo amin'gny Sabata I, Mba afaka I reo mahajery antony hagnameloha azy. 8Lafa hainy zay tao an-tsaindreo sady nivola tamigny johary zay maty tanana I hoe: ''Mitsanga, sady mandehana eto agnivo gny olo iaby eto.'' Koa nitsanga lay johary sady nitsanga teo.9Jesosy nisafa tamindreo hoe: ''Magnontany anaero zaho, ara-dalana amin'gny Sabata va gny fanaova gny soa sa gny fanaova gny raty, gny mangnavotsy ainy sa gny mamotiky azy? 10Sady nijery gny magnodidy azy iaby I ka nisafa tamin'gny lay johary hoe: ''Ahijiro gny tagnanao.'' Nanao zay I, sady sitrany gny tanany. 11Nefa feno hatezera I reo sady nifampiresaky momba zay mety ho hataondreo amin'i Jesosy.12Taminy zay andro zay sady nandeha agny an-tendrombohitsy I mba hivavaky. Notohizany nandritsiny gny aliky tontolo gny fivavaha tamin'Andrianagnahary. 13Lafa avy gny andro, nikaiky gny mpianany ho eo aminy I, sady nifily roa ambiny folo tamindreo I, zay nikehiny avao koa hoe Apostoly.14Gny agnarandreo Apostoly reo sady Simona (I zay nikehy avao koa hoe Petera) sady gny rahalahy Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15Matio, Tomasy, Jakoba gnanaky lahin'i Alfeo, Simona zay nikehiny hoe Zelota, 16Jodasy gnanak'i Jakoba, sady Jodasy Iskariota, zay avy mpamadiky.17Avy eo Jesosy nijotso gny tendrombohitsy niaraky tamindreo sady nitsanga tamin'gny tany marina niaraky tamin'gny mpianany maro sy vahoaky maro avy agny Jodia sy Jerosalema sady gny sisin-tany gny Tyro sy Sidona. 18Avy reo mba hijajy azy sady mba ho sitrany amin'gny aretindreo. Sitrany avao koa gny vahoaky zay korontany gny fanahy maloto. 19Gny olo iaby tamindreo vahoaky sady niezaky gny hikasiky azy hatrany satria nivoaky avy taminy gny hery magnasitrany, sady sitrany avokoa I iaby.20Sady nijery gny mpianany I, sady nisafa hoe: "Sambatsy nareo zay mahantra, fa nareo gny fanjakan'Andrianagnahary. 21Sambatsy nareo zay noana ankehetsiny, fa ho voky nareo. Sambatsy nareo zay mitomany ankehetsiny, fa hiomehy nareo.22Sambatsy nareo iaby mankahala anareo gny olo sady raha ahiliky I reo sy haratsiandreo nareo, noho gny amin'gny Gnanak'Olo. 23Mifalia aminy zay andro zay sady mibitahy an-kafaliany, satria azo antoky fa hahazo valisoa bevata agny an-danitsy nareo, fa mitovy aminy zay to nagnandesany razanareo andreo mpaminany.24Fa loza anareo zay manan-karena, fa efa azonareo zay mahafa-po nareo. 25Loza ho anareo zay voky ankehetsiny, fa mbola ho noana nareo agny afara agny. Loza ho anareo azay mihomehy ankehetsiny, fa hisaona sy hitomany nareo agny afara agny.26Loza ho anareo, iaby mivola soa momba anareo gny olo iaby, fa mitovy aminy zay gny nataony gny razanareo tamindreo mpaminany sandoky.27Fa mivola aminareo zay mijajy zaho, tiavo gny fahavalonareo sady manaova gny soa aminy zay mankahala anareo. 28Tahio zay manozona anareo sady mivavaha ho anareo zay manao tsinontsino anareo.29Raha misy mamelaky gny takolakao raiky, sady omeo azy koa gny ilany. Lafa misy olo maka gny lambanao, aza mihazona na sady gny akanjonao koa aza. 30Omeo zay iaby mangataky aminao. Lafa misy olo maka gny raha zay anao, aza mangataky gny hamerenany zay aminao.31Tahaka zay tianao hataony gny olo aminao, sady tokony hataony amindreo koa zay. 32Lafa zay olo tia anao avao ro tiavinao, ino ro soa ho azonao amin'gny zay? Fa na gny mpanota aza mba tia an'zay tia azy koa. 33Lafa aminy zay olo manao soa anao avoa ianao ro manao soa, ino ro soa ho azonao aminy zay. Fa na gny mpanota aza sady manao toy zay. 34Lafa tsy mampindra afa-tsy aminy zay olo handrasa fa hamerina zay aminao avao, ino to soa ho azonao aminy zay? Fa na gny mpanota aza mampindrana gny mpanota, mba hahazoana toraky zay koa.35Fa tiavo gny fahavalonareo sady manaova gny soa ho azy reny. Mampindrana ka aza miandry valiny sady ho bevata gny valisoanareo sady ho gnanaky gny Avo indrindra nareo, fa I tenany sady soa fanahy aminy zay tsy misaotra sy gny olo raty fanahy. 36Manàna famindram-po, mitovy gny Rainareo mpamindra fo.37Ka mitsara, sady tsy ho tsarainy nareo. Ka manameloky, sady tsy ho melohiny nareo. Mamelà gny hafa, sady ho avela nareo.38Magnomeza, sady omena nareo zay. Fahafoiza be_zay atafotafo, miaraky voahontsany sady mitoboky_ro hararaky eo ampofoany. Afaky gny famaharanareo, ro hamaharana anareo toy zay koa."39Avy eo I nanao fagnohara tamindreo koa. "Moa va gny olo Jamba afaky mitariky olo Jamba hafa? Lafa manao zay I, sady mety hilatsaky agny ankady I roa, sa tsia? 40Gny mpianatsy raiky sady tsy bevata noho gny mpampianany, fa zay iaby nahatanteraky gny fiofana sady hitovy aminy gny mpampianany.41Fa Nahoa iha ro nijery gny sombinkazo kely zay ao anatiny gny masony rahalahinao, Kanefa tsy mahatsikaritsy gny vatankazo ao anaty masonao? 42Ahoa ro isafananao gny rahalahinao hoe: 'Ry rahalahy, mamelà ahy hanala gny sombinkazo eo amin'gny masonao eo io,' lafa tsy hitanao akory gny vatankazo eo aminy gny masonao? Ry mpiatsaravelatsihy! Esory eo amin'gny masonao aloha gny vatankazo, avy eo hahita soa ianao ka afaky hanala gny sombinkazo eo amasony rahalahinao.43Fa tsy misy hazo soa hamokatsy voankazo lo, na hoe hazo lo hazo io hamokatsy voankazo soa. 44Fa gny hazo tsiraikiraiky sady hay amin'gny karazamboankazo zay vokariny. Fa tsy afaky gny hioty aviavy amin'gny tsilo gny olo, na haka voaloboky amin'gny hazony voaroy.45Gny olo soa hamokatsy zay soa avy amin'gny harea soany gny fony, sady gny olo raty mamokatsy zay raty avy amin'gny hareondratiny gny fony. Fa zay aloky gny fony ro safanany gny vavany.46Fa magnino nareo ro mikaiky any hoe: 'Tompo, Tompo,' kanefa ianareo tsy mankato zay raha safaniko? 47Gny olo iaby nagnontany any sy mandre gny safako sady mankato zay, sady ho ambarako anareo hoe toy gny ino I. 48Mitovy gny olo zay nanangana tragno I, zay nandavaky laliky teo amin'gny tany sady nagnory gny fototsy gny tragno teo ambony vatolampy. Lafa avy gny tondra-drano, sady nandriaky nanohitsy zay tragno zay gny rano be, fa tsy nampikaiky azy, fotony soa ory lay I.49Sady zay olo mandre gny safako nefa tsy mankato zay, sady mitovy amin'gny olo zay nanory tragno teo amboniny gny tany ka tsy nanisy fototsy. Lafa nandriany namely io tragno io gny rano be, sady netonta avy hatrany zay, sady rava tanteraky zay tragno zay."
Chapter 7

1Lafa nahavita nivola gny raha iaby teo anatrehany gny vahoaky Jesosy, sady nilitsy tao kapernaomy I.2Sady nisy Kapiteny raiky nana mpanompo zay tena najainy, sady narary sy fa mariniky ho maty I. 3Lafa nahakasa gny momban'i Jesosy lay Kapiteny, no nagniraky loholon'i Jiosy ho agny aminy I, hangnataky azy mba ho avy sady hagnasitrana gny mpanompony. 4 Sady lafa avy teo amin'i Jesosy I reo, sady nangataky mare taminy, nivola hoe: ''Mendriky gny hanaova zay ho azy I, 5satria tiany gny firenenay, sady I lay nagnamboatsy synagoga ho anay.''6Koa sady nanohy gny lalany niaraky tmindre Jesosy . Fa lafa mbo tsy lavitsy gny tragno I, dia nandefa nama lay kapiteny nivola taminy hoe: ''Tompo o, ka manahira tena iha , satria tsy mendriky hidiranao ao ambaniny tafon-tragnoko zaho. 7Noho zay dia tsy nihevitsy gny vatako ho mendry handeha aminao zaho, fa mivolagna safa raiky avao dia ho sitrany gny mpanompoko. 8Koa satria zao koa dia johary zay ambany fahefa, mana miaramila ao ambaniko koa. Hoy zaho aminy toy raiky toy hoe: 'Mandehana,' dia mandeha I , sady aminy gny raiky hafa: 'Avia,' dia avy I, sady aminy gny mpanompoko hoe: 'Ataovy toy,' sady ataony zay.''9Lafa nahakasa zay Jesosy , dia talanjo taminy I, asady nitodika tamindreo vahoaky zay nanaraky azy dia nanao hoe: ''Ambarako aminareo, fa na dia tagny Israely aza tsy nahajereko finoa toy zao.'' 10Lafa nipoly tagny an-tragno reo zay nirahy, dia nahajery fa salama soa lay mpanompo.11Tafarany kely zay , dia nandeha tagny aminy tana atao hoe Naina i Jesosy, sady niaraky taminy reo mpinany sy reo vahoaky maro be. 12Lafa nagneky gny vavahadiny tana I , Indro , nisy johary raiky fa maty nentiny nivoaky, gnanaky johary tokany reniny ( zay mpitondra tena ) sady vahoaky maro be avy ao aminy tana ro niaraky taminy .13 Nony nahajery azy gny Tompo, dia honena tanteraky azy ka nanao taminy hoe: ''ka mitomagny. '' 14Avy eo sady niakatsy I sady nikasiky any lay vata zay nandesindreo lay razana, sady nijano reo nanday zay. Hoy I hoe: ''Ry tovolahy, hoy zaho aminao, miarena.'' 15Dia niarina lay maty ka nanomboky nivola, sady Jesosy nanolotsy azy teo aminy reniny .16Nandresy azy iaby gny tahotsy, ka nanohy nidera an'Andrianagnahary hatrany I reo, nivola hoe: ''Mpaminany bevata ro natsangany eto amintsika'' sady ''Andrianagnahary nitsijo gny olony.'' 17Toy vaovao momban'i Jesosy toy niely nanera an'i Jodia sy reo faritsy magnodidy iaby.18Reo mpinats'i Jaona nivola taminy gny momba reo raha reo. 19Sady nikaiky anankiroa tamindreo mpianay Jaona ka naniraky azy reo ho agny aminy gny tompo mba hivola hoe: ''Iha va lay ho avy, sa tokony mbo hijery hafa zahay?'' 20Sady lafa namonjy mariniky an'i Jesosy reo, dia hoy reo johary hoe: ''Jaona mpanao batisa ro naniraky anay atoy aminao hagnontany hoe: ''Iha va lay ho avy, sa tokony mbo hijery hafa zahay?''21Sady taminy zay ora zay dia nahasitrana olo maro taminy gny arety sy fahoriany ary fanaintaina avy amindreo fanahy raty I, ary olo jamba maro ro napahitany. 22Jesosy namaly ka nivola tamindreo hoe: ''Lafa avy nandeha taminy gny lalanareo nareo, tanteraho amin'i Jaona zay jerinareo sy renareo. Nahiratsy gny jamba, nandeha gny malemy, reo nalio gny boka, nahakasa gny maregny, nitsangan-kovelo gny maty, sady nitoriany gny filazantsara gny olo agnatiny tsy fahampiany. 23Sambatsy gny olo zay tsy mitsahatsy gny mino Ahy noho gny ataoko.''24Sady nony lasa reo irak'i Jaona , sady nanomboky nivola taminy gny vahoaky jesosy gny momban'i Jaona hoe: ''Hijery ino ro nivomboahanareo tagny agnefitsy? Volotara nahozongozony gny rivotsy va? 25Fa hijery ino ro nivomboahanareo tagny? Johary miakanjo soa va? Jereo, reo zay misiky akanjo lafo vily sy reo miaina ao aminy gny fiaina soa dia ao amin'gny lampan'gny mpanjaka. 26Fa hijery ino ro nivomboahanareo tagny? Mpaminany va? Eka, hoy zaho aminareo, sady mihoatsy lavitsy noho gny mpaminany.27I ro lay voasoratsy hoe: ''Ingo, alefako mialohaiha gny mpinday hafatsy, zay hanomana gny lianao mialoha anao.'' 28 Ambarako aminareo, fa aminareo zay natera-behivavy dia tsy misy bevata noho Jaona. Nefa lay kely indrindra ao aminy gny fanjakan'Andrianagnahary sady bevata noho I.''29(Lafa nahakasa zay gny olo iaby, anisany zay reo mpamory hetra, sady nagnambara fa marina Andrianagnahary, satria natao batisa taminy gny batisan' i Jaona I reo. 30Fa reo Fariseo sy reo mpahay lily Jiosy avao nanda gny tanjon'Andrianagnahary ho any gny vatandreo, satria tsy nataon'i Jaona batisa.)31''Aminy gnino, sady, ro afahako mampitovy gny olo aminy toy taranaky toy ? Mitovy gny ino moa I reo? 32Mitovy gny zaza maliniky milalao egny an-tsena I reo, zay mipetsaky sy mifampikaiky sady mivola hoe: ''Nitsoky sodiny ho anareo zahay, dia tsy nandihy nareo hira fisaona ho anareo zahay, sady tsy nitomagny nareo.''33Fa Jaona mpanao Batisa avy tsy nihina mofo sady tsy nisotro divay, sady hoy nareo hoe: 'Misy demonia I.' 34Gny Gnanak'Olo avy nihina sy nisotro, sady hoy nareo hoe: 'Reo, fa tenda-kaniny sy mpisotro I, namandreo mpamory hetra sy mpanota!' 35Fa gny fahendrea dia voamariny aminy gny gnanany iaby.''36Sady gny raiky tamindreo Fariseo nanasa an'i Jesosy hisakafo miaraky taminy. Koa lafa avy nilitsy tao antragny lay Fariseo Jesosy, dia nipetraky hihina teo aminy gny latabatsy. 37Ingo, nisy ampela tao an-tana zay mpanota . Sady lafa nahatsikaritsy I fa nipetraky teo aminy gny latabatsy tao an-tragno lay Fariseo I, dia nanday tavoara alabastara feno menaky magnitsy I. 38Sady raha nitsanga tafarany teo agnilany tombokiny I, dia nitomagny, ka nanomboky nande gny tombokiny taminy gny ranomasony, ka dia nofafany taminy gny volon-dohany reo sady nanoroky gny tombony no nanositsy reo tamin'gny menaky magnitsy .39Lafa nahajery zay lay Fariseo nanasaan'i Jesosy, dia nieritseritsy, nivola hoe: ''Raha mpaminany toy johary toy, dia tokony ho hainy hoe karazany ampela manao akory io mikitiky azy io ,fa mpanota io.'' 40Jesosy namaly ka nivola taminy hoe: ''Simona, misy raha ho volagniko amina.'' Hoy I hoe: ''Ambarao zay, mpampianatsy o!''41Jesosy nivola hoe: ''Nisy mpampindra - bola nana mpitsosa roa lahy. Gny raiky tokony handoa dima -jato denaria, gny raiky dimampolo. 42Lafa tsy afaky nagnefa zay taminy I reo, dia samy nengany I roa lahy. Noho zay, I amin'i roa lahy ro ho tia azy tokoa?'' 43Simona namaly azy ka nivola hoe: ''Heveriko fa lay namoizany be." Dia hoy Jesosy taminy hoe: ''Marina gny fitsaranao.''44Sady Jnitodiky tagny aminy lay ampela ka nivo tamin'i Simona hoe: ''Hitanao io ampela io. Nilitsy tato an-tragnony zaho. Tsy nanome rano hanasa gny tombokiko iha, fa I nahakotsa reo tombokiko taminy gny ranomasony sady namafa azy reo taminy gny volon-dohany. 45Tsy nanoroky ahy iha, fa hatrizay nidirako tato dia tsy nitsahatsy nanoroky gny tombokiko I.46Tsy nosorany diloilo gny lohako, fa I nanosotsy gny tombokiny tamigny menaky magnitsy. 47Noho zay dia mivola aminao zaho fa, reo fahota, zay maro, dia voavela satria I be fitiava. Fa zay nengany kely, dia tia kely.''48Dia hoy I taminy hoe: ''Voavela reo fahotanao.'' 49Reo niara-nipetraky nihina teo dia nanomboky nifampiresaky teo amindreo hoe: ''Ia moa toy ro sady mamela reo heloky?" 50Avy eo hoy Jesosy tamin-dravehivavy hoe: ''Gny finoa ro nahavonjy anao. Mandehana am-piadana.''
Chapter 8

1Sady tafarany keliny zay no nanomboky nandeha nitety tanà sy vohitsy samihafa Jesosy, nitory sy nanambara gny filazantsara mahakasiky gny fanjakan'Andrianagnahary. Niaraky tamindreo roa ambiny folo lahy, 2mitovy reo ampela sasany zay sitrany taminy gny fanahy raty sy gny arety: Maria zay nikaiky hoe Magdalena, zay fa namoaha demonia fito; 3Johana, valin'i Koza, zay mpitan-draharahan'i Heroda, sady Sosana; sy reo maro hafa koa, zay taminy gny fananandreo, sady nagnome zay nilainy I reo.4Lafa mbo nisy vahoaky maro nihangony, sady tamy nagnoany azy reo olo avy taminy gny isan-tanà, sady nanao fagnohara I hoe: 5" Nisy mpamboly niboaky mba hamafy gny vaony. Lafa I hamafy igny, sady voahitsakitsaky zay, sady lanin'gny voron'gny lagnintsy. 6Gny sasany koa voafafay tegny amin'gny vatolampy, ka lafa vao nitsimoky, sady nalazo zay, fotony tsy nisy hamandoa.7Sady gny sasany voafafy teo amin'gny tsilo, sady gny tsilo niara-naniry tamin'gny voa ka nangeja zay. 8Gny sasany voafafy tegny amin'gny tany lonaky ka namoa vokatsy zay soa lavitsy avo zato heny." Tafaran'i Jesosy nivola reo raha reo, sady nikaiky mafy I hoe: "Zay manan-tsofy hijajy, aoky I hijajy."9Nagnontany azy reo mpianany gny amin'gny tian'zay fagnohara zay hambara. 10Hoy I hoe: "Gny fahalala gny raha mivony gny fanjakan'Andrianagnahary sady nomeny anareo, fa ho agny hafa sady miresaky amin'gny fagnohara Zaho, mba tsy ahita I reo na sady mahajery azy, sady tsy hahalala na sady mandre aza."11Sady zao ro dikany lay fagnohara: Gny voa sady gny tenin'Andrianagnahary.12 Reo voafafy tegny amin'gny sisin-dala sady reo zay mandre, saingy avy eo dia avy gny devoly ka maka lay tegny tao am-pony, mba tsy hino sy ho voavonjy I reo. 13Sady reo teo amin'gny vatolampy avaokoa sady reo zay, lafa mandre gny teny, sady mandray zay amin-kafalia. Nefa tsy misy fakany reo; betibetiky tsy misy gny finoandreo, sady amin'gny fotoa fitsapa sady lavo I reo.14Reo voa teo amin'gny tsilo sady reo olo gny teny, fa lafa mandeha amin'gny lalany I reo, sady voagejany gny fiahiana sy gny harea sady gny fahafinaretan'zao fiaina zao, ka tsy matoy gny voany. 15Fa gny voa voafafy tamin'gny tamin'gny tany soa, sady reo to, mandre gny tegny tamin'gny fo marina sy soa, sady I reo mihazona azy soa sady namokatsy am-pahareta.16Sady, tsy mis olo, lafa nandrehitsy jiro, sady manaro azy amin'gny sarony na mametraky zay so ambany fandriany. Fa koa, mametraky azy eo amin'gny fanaovan-jiro, mba ho hitan'gny olo iaby zay militsy gny hazava. 17Fotony tsy misy takony zay tsy ho ampahafantariny, na raha mivony zay tsy ho hainy sady hiseho do amin'gny hazava. 18Koa mijajigna soa, zay mana, sady mbo homeny bebe kokoa, fa ho an'zay tsy mana koa, nazay heveriny hanany aza sady ho esoriny aminy."19Avy eo gny Reniny sy gny rahalahiny nanatona azy, nefa tsy nanankaiky azy noho gny vahoaky. 20Nisy nivola taminy hoe: "Gny reninao sy gny rahalahinao sady mijoro ao ivelany, te hahita anao." 21Fa Jesosy namaly sy nivola tamindreo hoe: "Gny reniko sy gny rahalahiko sady reo zay nahakasa gny safan'Andrianagnahary sy manao zay."22Sady indraiky andro sady nandeha an-tsambo kely I niaraky tamindreo mpianany, sady I nivola tamindreo hoe: "Andeha tsika ho egny ampitany gny farihy." Sady lasa I reo. 23Fa lafa nandeha iny I reo sady resitory Jesosy. Sady nisy tafio-drivotsy avy teo amin'gny farihy, ka feno rano sy sambo kely, sady notandindonin-doza I reo.24Avy eo namonjy aminy ka namoha azy reo mpianatr'i Jesosy, nanao hoe: "Tompo o! Tompo o! Ho faty tsika!" Sady nifoha I ka nisafa mare gny rivotsy sy gny rano manonja, sady nijano reo, ka nisy fitonia teo. 25Sady nisafa tamindreo I hoe: "Aia gny finoanareo?" sady natahotsy mare I reo. Sady natahotsy no sady gaga avao koa I reo, sady mandidy na gny rivotsy sy gny rano aza, sady manaiky azy reo?"26I reo sady nihazo gny faritr'i Gerasena, Zay tandrifin'ny farihin'i Galilea. 27Sady lafa niakatsy hankeny an-tanety Jesosy, sady nifanena tamin'gny johary raiky avy tao an-tanà zay nisy demonia. Sady fa ela I ro tsy niakanjo, sady tsy nipetraky tao an-tragno fa tegny amin'gny fasa.28Lafa nahajery an'i Jesosy I, sady nitoreo mare sy niankohoky teo alohany ka nivola tamin'gny feo hoe: "Ino ro iraisanao amiko, ry Jesosy, gnanak'Andrianagnahary avo indrindra o? Miangavy anao zaho, ka mba mampijaly ahy." 29Fa Jesosy nandidy gny fanahy maloto hiala tao amin'gny lay johary. Fa nandritsiny gny fotoa maro ro nangeja azy zay, ka na dia nofatorany tamin'gny rojo sy gadra vy sady nambena aza I, sady nopotehiny reo rojony sady nandesiny demonia tagny an'efitsy I.30Jesosy nagnontany azy hoe: "Ia to agnaranao? Sady Hoy I hoe: "Legiona," fa maro gny demonia zay fa nilitsy tao aminy. 31I reo niangavy azy hatrany mba tsy nandefa azy ho agny amin'gny lavaky tsy jery nolo.32Sady nisy andian-kiso maro nisakafo teo akaikiny gny havoa. Ka niangavy azy lay demonia mba hamela azy reo ho ao amindreo, ka namela azy I. 33Koa niboaky tao amin'gny lay johary reo demonia sady nifindra tao amindreo kiso, sady nitratravatreva tany amin'gny hantsana nandeha amin'gny farihy reo andian-kiso ka maty.34Sady noho gny nahajery gny Raha niseho reo mpiamby gny kiso, sady nihazakazaky ka nivola zay tao an-tanà sy tagny an-tsaha. 35Noho zay sady niboaky gny mponina tao an-tanà mba hijery gny Raha niseho, sady nanatona an'i Jesosy I reo ka nahajery lay johary Zay nimboahany demonia. Sady I nipetraky teo an-tongotr'i Jesosy, nitafy sady vory say; sady raiki-tahotsy I reo.36Avy eo reo zay nahajery zay nivola azy reo gny fomba nahasitrany lay johary nanjakany gny demonia. 37Sady gny vahoaky iaby amin'gny faritsinin'i Gerasenasady nangataky an'i Jesosy mba hiala ao amindreo, satria heniky gny tahotsy mare I reo. Noho zay sady nandeha an-tsambo kely I mba afahandreo mipoly.38Lay johary nimboahany gny demonia sady niangavy taminy mba hamela azy nandeha hiaraky aminy, fa Jesosy nandefa azy, nivola hoe: 39"Mipolia agny an-tragnonao ka manomeza tatitsy feno momba zay nataon'Andrianagnahary taminao." Sady lay johary nandeha taminy gny lalany, sady nagnambara manera gny tanà iaby zay nataon'i Jesosy taminy.40Sady lafa nipoly Jesosy, sady nandray azy gny vahoaky, fa I reo sady fa niamby azy. 41Indro, nisy johary raiky atao hoe Jairo, Zay raiky tamindreo mpitariky tao amin'gny synagoga, namonjy sy niankohoky teo an-tongotr'i Jesosy, ka niangavy azy mba ho agny an-tragnony, 42satria gny gnanak'ampela teo amin'gny roa ambin'gny folo tao teo ho eo, sady eo ambavahoanan'gny fahafatesa. Lafa nandeha tamin'gny lalany Jesosy, sady niara-nifaneritery nagnodidy azy gny vahoaky maro be.43Sady nisy ampela raiky teo zay fa nandeha rà nandritsy gny roa ambin'gny folo tao sady fa nandany gny volany iaby, [Fanamariha: Reo manam-pahaiza sady mizarazara hevitsy lafa tokony ampidiriny eto gny fehezanteny hoe: "Nandany gny volany iaby I ] sady tsy nisy nahasitrany azy na ia na ia. 44Sady I nandeha afaran'i Jesosy ka nikasiky gny rambon- dambany, sady nitsahatsy avy hatrany gny ràny.45Jesosy nivola hoe: "Ia lay nikasiky Any teo?" Lafa nandà gny raha, sady hoy Petera hoe: "Tompo, manodidy anao avokoa gny vahoaky iaby sady manery anao." 46Fa Jesosy nivola hoe: "Nisy nikasiky Zaho, satria hainao fa nisy hery niala avy tato amiko."47Lafa hitany gny lay ampela fa tsy takony I, sady nangitikitiky I sady niankohoky teo aminy. Nambarany teo amason'olo gny antony nikasihany Azy, sy gny fomba nahasitrany azy avy hatrany. 48Sady I nivola tamindreo hoe: "Nao gnanak'ampela, gny finoanao no nahasitrana anao. Mandehana am-piadana."49Avy eo lafa mbo nivola I, sady nisy olo raiky avy amin'gny tragnon'gny mpitariky synagoga, nanao hoe: "Maty gny gnanako ampela. Ka manahira gny mpampianatsy avao." 50Fa lafa naheno Zay Jesosy, sady namaly an'i Jesosy I hoe: "Ka matahotsy; minoa totsiny avao, sady sitrany I."51Lafa nandeha an-tragno I, sady tsy namela na olo raiky aza hiara-hilitsy aminy ankoatsin'i Petera sy Jaona sy Jakoba, sy gny rainy lay zaza sady gny Reniny. 52Sady gny iaby sady nisaona sy nitomagny azy, 53Fa I nisafa hoe: "Ka mitomagny; tsy maty I fa matory." Sady nihomehy Azy I reo, satria haindreo fa maty lay zaza ampela.54Fa noraisiny tamin'gny tagna I ka nikaiky mafy, nivola hoe: "Anaky, mitsanga!" 55Sady nipoly gny fanahiny, ka nihariny avy hatrany I. Sady nibaiko azy reo I mba hanome hanina ho azy. 56Sady Gaga gny Ray amandreny, fa I avao nandrara azy reo mba tsy nivola na amin' ia na ia raha zay niseho.

Chapter 9

1Nikaiky reo roa ambin'gny folo lahy I sady nagnome andreo gny hery sy fahefa amindreo demonia iaby sady hagnasitrana reo arety. 2Nalefany I reo hitory gny fanjakan'Andrianagnahary sy hagnasitrana gny marary.3Hoy I tamindreo hoe: "Aza manday na ino na ino amin'gny lianareo_tsy misy tehina, tsy misy kitapom-batsy, tsy misy mofo, tsy misy vola, sady tsy misy akanjo fanampiny. 4Zay tragno iliranareo, sady mijanona ao mandra-pialanareo.5Na ia na ia tsy handraisandreo anareo, lafa miala zay tanà zay nareo, sady ahintsano hiala amin'gny tongotrareo gny vovoky mba ho fijoroany vavolombelo anoherany azy reo." 6Avy eo sady lasa I reo sady namakivaky reo tanà, nitory gny filazantsara sy nanasitrany teny iaby teny.7Sady henon'i Heroda mpanapaka avokoa reo zay niseho iaby, sady very hevitsy I. Satria voalazan'gny sasany fa Jaona mpanao batisa sady nitsanga tamin'gny maty, 8sady voalaza fa niseho Elia, sady gny sasany koa mivola fa raiky tamindreo mpaminany fahiny ro nitsanga tamin'gny maty. 9Hoy Heroda hoe: "Zaho ro nanapa-doha an'i Jaona, koa zay indray zay olo ankasako raha mitovy zay?" Sady niezaky gny ahajery azy I.10Lafa nipoly reo apostoly, sady nitanatara tamingy reo raha iaby vitandreo. Avy eo nandesiny niaraky tamindreo I, sady nandeha nitokany ho amin'gny tanà kehy hoe Betsaida. 11Fa vao nahakasa gny momba say reo vahoaky, sady nanaraky azy. Sady noraisindreo I sady nambarany azy reo gny momban'gny fanjakan'Andrianagnahary, sady nanasitrany reo say nila fagnasitrana I.12Sady lafa ho ariva gny andro, sady namonjy Azy reo roa amin'gny folo ka nivola hoe: "Alefaso andeha reo vahoaky mba afahandreo I mandeha agny amindreo tanà magnodidiny sy ambanivohitsy mba hahajery fatoria sy sakafo, satria aty amin'gny tany foana tsika." 13Fa Hoy I tamindreo hoe: "Omeonareo raha ho hanindreo I." Sady nivola reo hoe: "Tsy mana mihoatsy noho gny mofo dimy sy hazandrano roa zahay sady mivily sakafo ho andreo olo iaby reo." 14(Teo sady nisy teo amin'gny johary dimy arivo teo ho eo). Sady mivola tamindreo mpianany I hoe: "Apetraho ho vondrony dimampolo isan'isandreo I."15Koa sady nanao zay I reo, sady nampilitsy reo vahoaky. 16Nandray reo mofo dimy sy hazandrano roa, sady niandrandra gny lanitry I, nisaotsy reo sady nozarazarany, ka sady nomeny reo mpianatsy zay mba ho tolorany reo vahoaky. 17Nihina I iaby ka afa-po, sady nangoniny reo sisa tsy lany_ka nisy potipotiky roa amin'gny folo haro.18Sady lafa nivavaky manokany Jesosy, sady niaraky taminy reo mpianatsy. Sady nagnontany azy reo I, nanao hoe: "Ataondreo vahoaky ho ia moa Zaho? 19Namaly I reo hoe: "Jaona mpanao batisa. Fa reo sasany nivola hoe Elia, sady reo sasany mivola fa nitsanga tamin'gny maty gny raiky tamindreo mpianany fahiny."20Sady nivola tamindreo I hoe: "Fa ataonare ho ia moa Zaho?" Namaly Petera hoe: "Lay kristin'Andrianagnahary." 21Fa noraràny mafy I reo tsy hivola zay na amin'ia na ia, 22nanao hoe: "Gny Gnanak'Olo sady tsy maintsy hijaly amin'gny raha maro sady ho lavindreo loholony sy lohan'gny mpisorony sady reo mpanora-dalà, ho vonoiny I sady amin'gny andro fahatelo sady hatsanga."23Sady hoy I taminy iaby hoe: "Laha misy te hagnaraky Ahy, dia tsy maintsy mandà gny tenany I sady mitondra gny hazofijaliany isan'andro sady nanaraky Ahy. 24Na ia na ia te hanavotsy gny gnainy dia hanary zay, fa na ia na ia anary gny gnainy noho gny fitiavany any dia hanavotsy zay. 25Ino ro soa azon'gnolo amin'gny fanana zao tontolo zao, kanefa manary na mamotiky gny gnainy?26Fa na ia na ia megnatsy gny amiko sy reo teniko, dia ho megnatsy azy koa gny Gnanak'Olo lafa avy amin'gny voninahiny, sy gny voninahiny gny Ray sy reo anjely masina I. 27Fa ambarako marina aminareo , fa gny sasany amindreo zay nitsanga eto dia tsy hahajery fahafatesany mialohan'gny ahajery gny fanjakan'Andrianagnahary."28Sady valo andro teo ho eo tafarany gny nivolagnan'i Jesosy reo teny reo, dia nentiny niaraky taminy Petera sy Jaona ary Jakoba ka niakatsy gny tendrombohitsy hivavaky. 29Laha hivavaky igny I, dia nimboaky gny endriky gny tarehiny, sady nivadiky fotsy manjelanjelatsy gny akanjony.30Ingo, nisy roa lahy nisafa taminy, Mosesy sy Elia, 31zay niseho tamim-boninahitsy mamirapiratsy. Niresaky momba gny fialàny I, zay ho entiny ho tanterahiny agny Jerosalema.32Sady Petera sy reo zay niaraky taminy dia navesatriny gny torimaso, fa laha tena taitsy tanteraky I reo, dia nahajery gny voninahiny sy reo johary roa zay nitsanga niaraky taminy. 33Sady lafa niala nagnalavitsy an'i Jesosy I reo, dia hoy Petera taminy hoe: "Tompo, dia amintsika gny mijano eto. Engao zahay hagnamboatsy fialofa telo, raiky ho anao, raiky ho an'i Mosesy, sady raiky ho an'i Elia." (Tsy hainy zay nambarany.)34Teo am-pivolagnany zay I, dia nisy rahona avy nanaro azy reo, ka dia natahotsy I reo lafa hilitsy tao amin'gny lay rahona. 35Nisy feo niboaky avy tagny amin'gny lay rahona, nanao hoe: "Inty ro Gnanako lahy, lay raiky zay vaofiliko; henoy I." 36Laha nivola lay feo, dia Jesosy raiky ro jery teo. Nitazo gny fahanginany I reo sady tsy nivola tamin'ia na ia tamin'gny zay andro zay gny momba zay iaby hitandreo.37Sady gny andro magnaraky an'io, la nidigna avy agny an-tendrombohitsy I reo, dia vahoaky maro nifanena taminy. 38Ingo, nisy johary raiky avy amin'gny vahoaky ro nihiaky mare, nanao hoe: "Ry mpampianatsy o, mitalaho aminao zaho mba ninety toy gnanako lahy toy, fa gnanako toka I. 39 Jerinao, misy fanahy mibaiko azy dia mihiaky tampoky I; mampifanintony azy zay ka mampamoaky roatsy gny vavany. Tsy miala aminy sady mahatorovany tanteraky azy. 40Mitalaho tamindreo mpianatsy zaho mba hanala zay, fa tsy afakindreo."41Namaly Jesosy ka nanao hoe: "Nareo tsy mpino sy taranaky raty fitondran-tena, hafiaria ro tsy maintsy hipetraky niaraky aminareo sy hiaretako miaraky aminareo? Ento ety gny gnanakao lahy." 42Lafa namonjy lay zaza lahy, dia natsipin'gny demonia tamin'gny tany I sady nampihijitsinjitsy azy. Fa Jesosy nivola mare lay fanahy maloto sady nagnasitrany lay zaza lahy, sady nampoliny azy tany amin'gny rainy.43Sady avy eo dia talanjo avokoa I iaby nahajery gny halehiben'Andrianagnahary. La gaga tamin'gny raha iaby nataony igny I reo, ka hoy I tamin'gny mpianany hoe: 44"Angao reto teny reto ho avy laliky ao an-tsofinareo: gny Gnanak'olo dia ho valihany ho eo an-tanan'olo." 45Fa tsy ataondreo zay fagnambany zay. Zay dia nangoniny tamindreo, noho zay dia Tsy azondreo gny dikan-gny zay, sady mbo natahotsy I reo gny nagnontany gny momba zay fagnambarany zay.46Sady avy eo dia nisy fifandirany nanomboky teo amindreo gny amin'gny zay ho lehibe indrindra amindreo. 47Fa Jesosy, nahay gny fihevitsy tagny ampondreo, sady nangalaky zazakely raiky napetrakiny teo agnilany. 48Sady nivola tamindreo hoe: "Fa na ia mandray toy zaza toy amin'gny agnarako, dia mandray ahy; sady na ia na ia mandray ahy, dia mandray lay raiky zay nanaraky ahy. Fa zay kely indrindra aminareo iaby ro lehibe."49Jaona namaly hoe: "Tompo o, nahajery olo raiky zahay nanala demonia tamin'gny agnaranao sady nosakananay I, satria I tsy manara-dia niaraky aminay." 50"Ka rarà I," Hoy Jesosy, "satria zay tsy manohitsy anareo sady momba anareo."51Lafa nanakaiky gny andro ampiakarany azy, sady niatsiky ho agny Jerosalema I. 52Nandefa mpitondra hafatsy I hialoha azy, sady mandeha I reo ka nilitsy tao amin'gny tanà samaritany raiky mba hanoma gny raha iaby ho azy. 53Fa gny vahoaky tao tsy nandray azy, satria nitodiky ho agny Jerosalema I.54Lafa nahajery zay Jakoba sy Jaona mpianatsy, sady hoy I reo hoe: "Tompoko, tianao va zahay laha handefa motro milatsaky avy agny an-danitra mba hamotiky azy reo?" 55Fa nitodiky sady nivola mafy tamindreo I, 56sady lasa tagny amin'gny tanà hafa I reo.57Sady lafa handeha tegny an-dalandre I, sady nisy olo raiky nanao taminy hoe: "Hanaraky anao zaho na ho aia na ho aia alehanao." 58 Jesosy nivola taminy hoe: "Gny amboahaolo manan-davaky, sady reo voro egny an-danitra sady mana gny akaniny, fa gny gnanak'olo tsy mana toera asia gny lohany."59Sady hoy I tamin'gny hafa hoe: "Magnaraky ahy." Fa Hoy I hoe: "Tompoko, engao zaho aloha handeha handevy gny raiko." 60Fa Hoy I hoe: "Engao gny maty handevy gny maty ao aminy. Fa ho anao, mandeha ka mitoria agny lavitsy agny sady hitaro gny fanjakan'Andrianagnahary."61Sady nisy olo hafa nanao hoe: "Hanaraky anao zaho, Tompo, fa engao zaho aloha hanao veloma reo agny an-tragnoko." 62Jesosy namaly azy hoe: "Tsy misy olo mità angady sady miheriky ka mendriky ho ao amin'gny fanjakan'Andrianagnahary."
Chapter 10

1Sady tafarany regny raha regny, dia nifily fitopolo lahy [Fanamariha: Maro amindreo fandika taloha soa indrindra no mivaky hoe: "Fitopolo", Fa gny sasany mivaky hoe "Roa ambi- Fitopolo."] hafa gny Tompo, sady nandefa azy regny tsiroaroa nialoha azy tagny amin'gny tanà iaby sy toera zay fa halehany. 2Hoy I tamindreo hoe: "Be gny vokatsy, fa vitsy gny mpiasa. Noho zay angataho gny Tompon'gny vokatsy mba handefa mpiasa ho eny amin'gny vokatse.3Mandehana amin'gny lalanareo. Jereo, alefako mitovy gny gnanak'ondry ao agnivon'gny ambo-dia nareo. 4Ka mba mianday fitoeram-bola, na fitoeran'entana, na kapa, ary aza miarahaba, na ia na ia egny an-dala.5Zay tragno hiliranareo, ambarao aloha hoe: "Fiadana anie ho amin'ity tragno ity!" 6Lafa misy olo gny fiadana ao, dia hitoetra aminy gny fiadana zay nambaranareo, fa laha tsy misy kosa, dia hipoly aminareo zay. 7Mipetraka ao amin'io tragno io avao, mihinana sy misotroa zay omendreo, fa gny mpiasa dia mendriky gny karamany. Ka mifindrafindra tragno.8Fa amin'zay tanà iliranareo, ka mandray anareo, hano zay arosony eo aloha nareo, 9sady sitrano gny marary zay ao. Ambarao andreo hoe: "Fa manakaiky anareo gny fanjakan'Andrianagnahary."10Na ombia na ombia nareo ro militra tanà ka tsy mandray anareo I reo, dia mimboaha egny an-dala sady ambarao hoe: 11"Fa na dia gny vovoky gny tanà nareo zay miraikitsy amin'gny tombokinay aza dia ho fafanay hanohitsy anareo! Fantaro anefa zao: "Fa manakaiky gny fanjakan'Andrianagnahary." 12Ambarao aminareo fa amin'gny andron'gny fitsarany dia ho azo leferiny kokoa gny an'i Sodoma noho gny an'i zay tanà zay.13Loza ho anao, ry Korazina! Loza ho anao, ry Betsaida! Fa laha gny asa bevata zay natao tao aminao ro natao tagny Tyro sy Sidona, dia fa ela I reo ro nibebaky, mipetraka tamin'gny lamba fisaonany sy lavenony. 14Fa ho azo leferiny tokoa gny an'i Tyro sy Sidona amin'gny fitsarany noho gny aminareo. 15Iha, ry Kapernaomy, mieritreritsy fa iha fa ho hasandratsy agny an-danitsy? Tsia, ho entiny mijotso agny amin'gny Hadesy iha.16Zay mijajy anareo dia mijajy ahy, sady zay mandà any dia mandà lay nanirahy ahy."17Nipoly am-pifaliany reo fito-polo, ka nivolana hoe: "Tompo, na dia gny demonia aza dia nanaiky anay tamin'gny agnaranao." 18Jesosy niresaky tamindreo hoe: "Nijery an'i Satana nilatsaky avy agny an-danitsy toy gny tselatsy zaho." 19Jereo, fa efa nomeko anareo gny fahefana hanitsaky gny menarana, gny maingoky, sady ambonin'gny hery iaby gny fahavalo, sady na ino na ino dia tsy nisy handratsy anareo amin'gny fomba iaby. 20Na dia zay aza mifaly fotsiny amin'gny zay, koa nanaiky anareo gny fanahy, fa mifalia tokoa hoe voasoratsy agny an-danitsy gny anaranareo."21Tamin'io fotoany io avao dia nifaly tokoa tao amin'gny Fanahy Masina I, sady niresaky hoe: "Midera anao zaho, ry Ray, Tompon'gny lanitsy sy gny tany, fa efa nafeninao regny raha regny tamin'gny hendry sy gny manan-tsaina, sady nambara tamindreo tsy manam-pahalalany, toy gny zaza maliniky. Eka, Raiko, fa zay ro ankasitrahany soa eo imasonao."22Gny Raha iaby dia nankinin'gny Ray tamiko, sady tsy misy mahalala hoe ia gny gnanaky afa-tsy gny Ray, sady tsy misy mahalala hoe ia gny Ray afa-tsy gny gnanaky sy zay nosafidian'gny Gnagnaky haseho Azy."23Avy eo dia niodiny teo amindreo mpianatsy I ka nivola mangingina hoe: 24"Sambatsy zay mahita reo raha zay hitanareo. Ambarako aminareo, mpaminany sy mpanjaha maro ro naniry ahita zay raha hitanareo, fa tsy hitanareo zay, sady aheno reo raha renareo, fa tsy rendreo zay."25Indro, nisy mpampianatsy gny lalàn'gny Jiosy raiky nitsanga mba hitsapa azy, ka nivola hoe: "Mpampianatsy o, ino ro tsy maintsy hataoko mba handovako gny fiaina mandrakizay?" 26Jesosy nivola taminy hoe: "Ino ro voasoratsy ao amin'gny lalàna? Ahoa ro famakinao Zay?" 27Nagnome valinteny I dia nivola hoe: "Tiavo gny Tompo Andrianagnaharinao amin'gny fonao iaby, amin'gny fanahinao iaby, amin'gny herinao iaby, sady amin'gny fisainanao." 28Jesosy niresaky taminy hoe: "Marina gny navalinao. Ataovy Zay dia ho velona iha."29Fa lay mpampianatsy, naniry hanamarina gny tenany, dia nivola tamin'i Jesosy hoe: "Ia ro namako?" 30Namaly azy Jesosy ka nivola hoe: " Nisy johary raiky nijotso avy agny Jerosalema ho agny Jeriko. I dia azondreo mpandroba, zay nanendaky reo fanana iaby tegny aminy, sy nikapoky azy, sady namela azy fa ho faty.31Sady sendra nisy mpisorona nandalo tamin'gny zay lala zay, sady nony nahajery azy I, dia nandeha tegny am-pita. 32toy zay koa gny Levita anankiray, Lafa nandalo taminy lay toerany ka nahajery azy, dia nandeha tegny am-pita.33Fa nisy Samaritana anankiray, lafa nandeha tamin'gny nalehany I, dia avy teo amin'gny nisy azy. Lafa nahajery azy I, dia nitsetra azy. 34Dia nanatona azy I ka namehy gny ratrany, sady nandraraky menaky sy divay tamin'gny zay. Nampitaingenanay gny bibiny I, ka nentiny tagny amin'gny tragnom-bahiny sady nokarakarainy. 35Gny amaray dia naka denaria roa I, sady nanolotry zay tamin'gny mpampianatsiny, sady nanao hoe: 'Karakarao I, sady na ohatrinony na ohatrinony laninao mihoatsy, lafa nipoly zaho, dia ho efaiko.'36Ia amin'gny I telo reo, araky gny eritreritrao, ro namay lay azon'gny mpandroba?" 37Namaly lay mpampianatsy hoe: "Lay raiky zay naneho fiantrana azy." Jesosy niresaky taminy hoe: "Mandehana sady manaova toy zay koa."38Sady lafa niara-nandeha I reo, dia nilitsy tao amin'gny tanà raiky I, sady nisy ampela raiky kehy hoe Marta nampandroso azy tao an-tragnony. 39Nana rahavavy atao hoe Maria I, zay nipetraky teo an-tombokiny gny Tompo sady nandre gny teniny.40Fa Marta sahirana be tamin'gny fikarakarany gny sakafo ho aroso. Nankeo amin'i Jesosy I, dia nanao hoe: "Tompo, tsy mampanino anao va gny namelan'gny rahavaviko any hanompo rery? koa teneno I mba hanampy any." 41Fa namaly gny Tompo ka nanao taminy hoe: "Marta, Marta, manahy amin'gny raha maro be ianao, 42kanefa raha raiky avao ro tena ilainy. Maria dia efa nifily zay soa indrindra, zay tsy ho esoriny aminy."

Chapter 11

1Dia zao ro nitranga lafa nivavaky tao amin'gny toera raiky Jesosy, nisy raiky tamindreo mpianany niteny taminy hoe: "Tompo, mba hampianaro mivavaky zahay toy gny nampianaran'i Jaona reo mpianany."2Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Lafa mivavaky nareo dia teneno hoe: 'Ray o, ho hamasinina anie gny anaranao. Ho avy anie gny fanjakanao.3Omeo anay gny haninay isan'andro. 4Avelao gny fahotanay, tahaky gny namelanay zay meloky taminay. Aza mitondra anay ho agny amin'gny fakam-panahy."5Jesosy nivola tamindreo hoe: "Ia aminareo ro hana namana, sady handeha ho agny aminy amin'gny misasakaly, sady nanao aminy hoe: 'Ry namana, mba ampidramo mofo telo zako, 6fa misy namako raiky avao avy lavitsy, sady tsy mana na ino na ino harosoa azy zaho, 7Sady mety hamely azy gny raiky tao an-tragno ka nanao hoe: "Ka manelingely ahy. Fa mihily gny varavarany, sady gny gnanako, fa eo ampandriny, miaraky amiko. Tsy afaky mitsanga zaho hagnome mofo anao. 8Mivola aminareo zaho, fa na dia tsy mitsanga sy manome mofo anareo aza I satria namaly anareo, dia nohon'gny fikirizanareo tsy misy hegnatsy, dia hitsanga I sady nagnome anareo gny mofo iaby zay ilainareo.9Mbola mivola aminareo koa zaho, mangataha, dia homena anareo zay; mitadiava, dia nahajery anareo; dondomy, dia ho vohany anareo. 10Fa gny olo iaby zay mangataky dia mahazo, sady zay mitady dia mahita; sady zay olo mandodona, dia ho vohany.11Ia aminareo raimpianakavia reo ro, laha mangataky trondro gny gnanakinareo, dia nagnome azy bibilava fa tsy trondro? [Fanamariha: "Reo fandika soa indrindra misy vaki-teny fohy tokoa, zay arahintsika eto. Gny fandika taloha sasany dia misy vaki-teny lavalava kokoa, zay hita ao amin'gny Matio 7:9 avao koa: "Raimpianakavia ia aminareo, lafa mangataky mofo gny gnanakinareo, ro hagnome azy vato? 12Na trondro, dia hagnome azy bibilava?" Na laha mangataky atody I, dia homenareo maingoky va I? 13Noho zay, laha nareo raty fanahy aza nahay nagnome fanomeza soa ho an'gny gnanakinareo,dia ohatrin'gny ahoa gny halehiben'gny Fanahy Masina homen'gny rainareo zay agny an-danitsy ho anareo zay mangataky aminy?"14Sady Jesosy nandroaky demonia moana. Lafa niboaky lay demonia, dia lasa nahay nivola lay johary zay moana, sady dia gaga gny vahoaky. 15Fa gny olo sasany nivola fa: "Amin'gny alalan'i Belzeboba, zay mpitariky gny demonia, ro androahany demonia."16Gny sasany nitsapa azy sady mitady famantara avy agny an-danitsy taminy. 17Nefa fantatr'i Jesosy zay tao an'tsaindreo ka nivola tamindreo hoe: "reo fanjakany iaby zay mizarazara dia ho rava, sady gny tragno zay mizarazara dia hirodany."18Koa laha mialy an-tragno Satana, ahoa ro hampaharitsy gny fanjakany? Fa hoy ianareo hoe nandroaky demonia amin'gny alalan'i Belzeboba zaho. 19Fa laha nandroaky demonia amin'gny alalan'i Belzeboba sady zaho, amin'gny alalan'Ia kosa ro androahany mpanara-dia anareo azy? Noho zay, reo ro hitsara anareo. 20Fa laha nandroaky gny demonia amin'gny alalan'gny ratsan-tagnan'Andiagnanahary Ahy, dia tonga aminareo ny fanjakan'Andrianagnahary.21Lafa ampy fitaova soa gny johary mahery raiky miamby gny tragnony, dia voaaro gny hareny, 22nefa kosa laha mahery noho I gny johary raiky ka mandresy azy, dia alain'gny lay johary mahery kokoa amin'gny lay johary gny fiadina, sady ho robainy gny fananan'gny lay johary. 23Zay tsy miaraky amiko dia nanohitra Ahy, ary zay tsy miangona miaraka amiko dia miaraky.24Lafa miala amin'gny olo raiky gny fanahy raty, dia lasa I mamakivaky toera tsy misy rano sady mitady fitsarany. 25Sady lafa tsy mahita, dia hoy I hoe: "Andeha nipoly agny amin'gny tragno niaviako zaho." Lafa tafapoly, I dia mahita zay tragno zay voalio sy voalaminy. 26Avy eo dia lasa I sady maka fanahy hafa raty mihoatsy gny tenany miisa fito miaraky aminy I sady dia miditsy mba hitoetra aminy I sady dia militsy mba hitoetra ao I iaby. Ka raty kokoa noho lay voalohany gny fiafaran'gny zay olo zay."27Sady laha niresaky reo raha reo I, dia nisy ampela raiky handratsy gny feony tao anaty vahoaky sady nanao taminy hoe: "Sambatsy gny kibo zay niteraky Anao sy gny nono zay ninonoanao." 28Fa hoy kosa I hoe: "Sambatsy, tokoa aza, reo zay mihaino gny tenin'Andrianagnahary sy mihazony zay."29Sady laha mbo mitohy gny vahoaky, dia nanomboky nivola Jesosy hoe: "Ity taranaky ity dia taranaky raty. Mitady famantara I, nefa tsy hisy famantara aseho azy afatsy gny famantaran'i Jona. 30Fa tahaky gny nahaavy an'i Jona ho famantara tamindreo Ninivita, toy zay koa dia ho famantara gny Gnanak'Olo amin'gny ity taranaky ity.31Gny mpanjaka vavin'gny Atsimo dia hitsanga amin'gny fitsarany miaraky amindreo johary amin'ity taranaky ity ka hanameloky azy reo, fa avy agny amin'gny faran'gny tany I mba hiaino gny fahendren'i Solomona, sady indro eto gny olo bevata noho Solomona.32Gny joharin'i Ninive dia hiara hitsanga amin'ity taranaky ity amin'gny fitsarany sady hanameloky azy, satria nibebaky tamin'gny nitorian'i Jona I reo, sady indro, misy olo lehibe noho Jona eto.33Tsy misy olo raiky, lafa avy nandrehitsy jiro, dia mametraky zay amin'gny toera takona na ao ambonin'gny harona, fa atao eo amin'gny fitoeran-jiro, mba ho hitan'zay militsy gny hazava. 34Gny masonao no jiron'gny tegna, lafa soa gny masonao, dia rakotsy hazavany gny tena iaby. Fa laha raty koasa gny masonao, dia feno haiziny gny tenanao. 35Noho Zay, mitandrema nareo mba tsy ho maiziny gny hazava ao aminareo. 36Sady, laha feno hazavana sady gny tenanao iaby, ka tsy misy ampahan'zay ao anaty haiziny, dia ho tahaky gny jiro zay mampamiratsy gny hazavany eo aminao gny tenanao manontolo.37Lafa vita gny resany, dia nisy Fariseo nanasa azy hiara hisakafo aminy agny antragnony, dia nilitsy Jesosy ka nipetraky. 38Gaga lay Fariseo fa tsy nisasa aloha Jesosy alohan'gny hihinana.39Fa hoy gny Tompo taminy hoe: "Ankehitsiny, ianareo Fariseo, dia manalio gny ivelan'gny kaopy sy gny lovia, nefa gny ao anatinareo dia feno rombaky sy faharatsiany." 40Ianareo ry kely saina! Tsy nanao zay ao anatiny avao koa fa zay nanao gny ivelany? 41Omeo gny mahantra zay ao anatiny, dia ho malio ho anareo avokoa gny raha iaby.42Fa loza ho anareo ry Fariseo, satria mandoa gny ampahafolon'gny solila sy gny rota sady gny hazo hafa egny an-tsaha ianareo, nefa tsy norarahinareo gny fanamarihana sy gny fitiavan'Andrianagnahary. Ilainy gny manao gny marina sy mitia an'Andrianagnahary, ro sady tsy manadino gny manao reo raha hafa avao koa.43Loza ho anareo ry Fariseo, fa tianareo gny toera voalohany egny amin'gny synagoga sy gny fiarahabana feno fanajana anareo egny antsena. 44Loza ho anareo, fa ianareo dia tahaky gny fasany tsy misy famantarany zay hitsahin'gny olo fa tsy hainy zay.45Gny raiky tamindreo mpampianatsiny lalàny nivola taminy hoe: "Mpampianatsy o, zay ambaranao zay dia maniratsira anay koa." 46Jesosy nivola hoe: "Loza ho anareo, ry mpampiana-dalàny! Fa mampitondra enta mavesatsy tsy zakan'gny olo nareo, nefa tsy mikasiky zay enta mavesatsy zay akory na dia gny ratsan-tananareo raiky aza.47Loza ho anareo, satria manorina fasana ho andreo mpaminany nareo, nefa gny razambenareo ro namono azy reo. 48Koa vavolombelony sady nanaiky gny asan'gny razanareo nareo, fa hamono azy reo tokoa I reo sady nareo ro manorina gny fasany.49Noho zay avao koa, ro nanambaran'gny fahendren'Andrianagnahary hoe: "Nandefa mpaminany sy apostoly amindreo zaho, sady I reo hamono sy hanenjiky gny sasany amindreo." 50Ity taranaky ity, zay ro ho tompon'andraikitsy amin'gny rà-ndreo mpaminany iaby nilatsaky hatramin'gny nahariany zao tontolo zao, 51nanomboky teo amin'gny ràn'i Abela ka hatramin'gny ràn'i Zakaria, zay novonoiny teo anelanelan'gny alitara sy gny fitoerany masina. Eny, ambarako marina aminareo, fa ity taranaky ity ro ho tompon'antoky.52Loza ho anareo ry mpampianatsy gny lalàn'gny Jiosy, satria nalainareo gny fanalahidin'gny fahalalany; tsy militsy ao gny tenanareo, sady sakananareo reo zay militsy."53Tafarany nialan'i Jesosy teo, dia nanohitra azy gny mpanora-dalàny sy gny Fariseo sady niady hevitsy taminy mahakasika gny raha maro, 54sady niresaky gny hamandrika azy tamin'gny teniny avao.
Chapter 12

1Taminy zay, lafa niara-niangona gny vahoaky an' arivony maro, maro loatsy ka nifanitsa-kitro I reo, voalohany loatsy indrindra dia nanomboky nivola tamindreo mpianany I hoe: "Tandremo gny masirasirandreo Fariseo, zay fiatsarambelatsihy."2Fa tsy misy takona zay tsy haseho, ary tsy misy mivony zay tsy ho hay. 3Ka na ino na ino nambaranareo tao amin'gny haiziny dia ho re amin'gny fahazava, ary zay nambaranareo teo an-tsofiny tao anaty efitragno dia hambara egny an-tampon-tragno.4Mivolagna aminareo zaho ry namako, ka matahotsy reo zay mamono gny tena, ary afara'zay dia tsy misy na ino na ino azony atao ikehany. 5Fa hampitandrina anareo zaho gny aminy zay hatahorany. Matahotsy lay raiky zay, lafa avy mamono, dia manana gny fahefany gny hagnary anareo agny amin'gny helo. Eka, mivolagna aminareo zaho, matahotsy Azy.6Tsy avily farantsa kely roa va gny tsintsina dimy? Kanefa tsy misy raiky aminy regny zay aligno eo imason'Andrianagnahary. 7Fa na gny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Ka matahotsy. Fa manan-danja mihoatsy nohon'gny tsintsina maro nareo.8Hoy zaho aminareo, zay iaby manaiky ahy eo anatrehan'gny olo, gny Gnanak'Olo ihany koa dia hanaiky azy eo agnatrehandreo anjelin'Andrianagnahary, 9fa zay mandà Any eo anatrehan'gny olo dia ho laviny eo anatrehan'gny reo anjelin'Andrianagnahary. 10Zay iaby mivola zay, fa zay iaby mivola raty manohitsy gny Fanahy Masina kosa, dia tsy ho voavela zay.11Laha mitondra anareo eo anatrehan'gny synagoga, reo mpanapaky, sy reo manam-pahefany I reo, dia aza manahy gny aminy zay ho fomba fiteninareo ho fiarovan-tenanareo, na zay ho ambaranareo, 12satria gny Fanahy Masina ro hampianatsy anareo zay tokony ho ambaranareo aminy zay ora zay."13Avy eo olo raiky avy tao amin'ireo vahoaky nivola taminy hoe: "Ry mpampianatsy, teneno gny rahalahiko mba hizara gny lova amiko." 14Jesosy nivola taminy hoe: "Ra johary, ia ro nanao Any ho mpitsara na mpanelanela anareo?" 15Hoy I tamindreo hoe: "Miambena mba hihazonanareo gny tenanareo lavitsy reo fanirian-draty iaby, satria gny fiainan'olo raiky dia tsy miankina amin'gny fitobaky gny fananany."16Avy eo Jesosy nanao fagnohara raiky taminireo I, nanao hoe: "Namokatsy be gny sahan'gny johary mpanakarea raiky, 17sady nagnontany tena I, nivola hoe: "Ino roho ataoko, fa tsy manana toera hitehirizako reo vokatsiko zaho?" 18Hoy I hoe: "Ia ro ho ataoko. Hazerako reo tragno fitoeram-bokatsy dia hananga lehibe kokoa zaho, sady ao amin'ireo ro hanangonako gny voako sy reo bokatsy hafa. 19Dia hivola amin'gny fanahiko zaho hoe: "Ry fanahy, ianao dia manana bokatsy besaky voatahiry ho amin'gny taona maro. Mitsahara soa, mihinàna, misotroa, mifalia."20Fa Andrianagnahary nivola taminy hoe: "Fa jorahy adala, androany aliky gny fanahinao to halaina aminao, nareo raha zay nomaninao, ho an'ia reo? 21Zay gny olo zay manangony harena manoloany an'Andrianagnahary.22Jesosy nivola taminireo mpianany hoe: "Noho zay dia ambarako aminareo, ka manahy gny amin'gny aminareo zay ho haninareo, na gny momban'gny tenanareo zay ho tafinareo.23Fa gny ainy dia mihoatry noho gny sakafo, sady gny tena dia mihoatry noho reo fitafiany.24Heveko gny goaiky, tsy mamafy regny na mijija. Tsy manana fitoeram-bokatsy regny na tragno fitahirizany, kanefa omen'Andrianagnahary hanina regny. Mitovy gny ahoa gny fihoaranareo lanja mihoatry noho reo vorona! 25Ia aminareo ro araky manampy hakiho raiky gny andro iainany amin'gny fanahiany? 26Koa raha kely indrindra zay ka tsy aminareo atao, nahoa nareo ro miahiahy gny amin'gny sisa?27Hevero reo lilia _manao ahoa gny fagniriny. Tsy miasa I regny, na mamoly. Kanefa ambarako aminareo, na Solomona tamin'gny voninahiny manontolo aza tsy nisiky mitovy gny iray tamindreo. 28Lafa tafian'Andrianagnahary mitovy zay reo ahajery egny an-tsaha, zay do androany, sady gny ampitso dia ariany anaty fatany, toy gny ahoa gny hanafiany anareo mihoatry lavitsy noho zay, nareo ry kely finoana o!29Ka mila zay ho haninireo sy zay ho sotroinareo, sady ka miahiahy. 30 Fa reo firenena iaby eto amin'gny zao tontolo zao reo dia mila regny raha regny, sady mahay gny Rainareo fa mila regny nareo.31Fa katsako gny fanjakany, dia nomeny ho fanampiany ho anareo regny raha regny. 32Ka matahotsy, ry andian'ondry vitsy, satria gny Rainareo dia tena faly gny hagnome anareo gny fanjakany.33Avilio reo fanananareo sady omeo gny mahantra. Manaova fitoeram-bola ho agn'gny tenanareo zay tsy mety ho tonta_harena agny an-danitsy zay tsy mety lany, zay tsy misy mpangalatsy manakaiky, sady tsy misy kalalao manimba. 34Fa agny aminy zay hitoeran'ny harenareo, dia ho agny avao koa gny fonareo.35Aoky gny akanjo lavanareo ho hasikinareo gny valahanareo, sady aoka gny jironareo hirehitsy hatrany, 36sady manaova mitovy reo olo zay miamby reo mpony hiveriny avy any amin'gny lanonam- mpampakaram-bady, mba lafa avy I ka mandondona, dia ho araky hanokatsy gny varavara ho azy avy hatrany I reo.37Sambatsy reo mpanompo, zay hitan'gny tompony fa niambiny iaby avy I. Ambarako marina aminareo, fa hisikiny gny lamba labany amin'gny valahany I, sady hampipetraky azy reo do an-databatsy, ka ho avy I sady hanompo azy reo. 38Laha ho avy amin'gny ora faharoa amin'gny aliky gny Tompo, na amin'gny ora fahatelo aza, ka mahajery azy reo vonona, dia ho sambatsy reo mpanompo reo.39Ho fanampiany zay dia fantaro zao, fa laha fantasy gny tompon-tragno, dia tsy namela gny tragnony ho takiany I. 40Mivonòna avao koa, fa tsy hainareo gny ora hiavian'gny Gnanak'olo."41Petera nivola hoe: "Tompo ô, aminay avao va ro ivolagnanao zay fagnohara zay, sa amin'gny olo iaby avao koa?" 42Gny Tompo niresaky hoe: "Ia sady ro mpitantany mahatoky sy hendry zay ho tendreny gny tompony ho ambonin'reo mpanompony hafa mba hagnome azy reo gny anjara haninireo I amin'gny fotoa mety? 43Sambatsy zay mpanompo zay, zay hitan'gny tompony manao zay iaby avy I. 44Ambarako marina aminareo fa ho tendreny hanapaky gny fananany iaby I.45Fa lafa mivola ao ampony zay mpanompo zay hoe: "Nahemotsy gny tompoko gny fiverenany, ka manomboky mamaono reo mpanompo lahy sy vavy, sady mihina sy misotro, ka lasa mamo, 46gny tompony zay mpanompo zay dia ho avy amin'gny andro tsy ampoiziny, sady amin'gny ora tsy hay, sady hanapatapaky azy ka hanomana toera ho azy niaraky amin'ireo tsy mahatoky.47Zay mpanompo zay, nahafantatsy gny sitrapony gny tompony, kanefa tsy niomana na nanao araky gny sitrapony, sady ho kapohiny amin'gny fikapohany maro. 48Fa zay tsy nahafantatsy sady nanao zay mendriky ahazoany kapoky kosa, dia ho kapohiny amin'gny fikapohany kely. Fa reo iaby zay nomeny be, dia ho be kokoa no ho takiany aminy, sady reo zay nanankina be, dia ho be lavitsy aza ro hangatahiny aminy.49Avy zaho hanipy motro egny ambon'gny tany, sady toy gny ahoa gny fagniriako mba hirehetany zay sahady. 50Fa mana fanaovam-batisa mba hanaovany batisa zaho, sady toy gny ahoa gny fahoriako mandra-pahatanteraky zay!51Mihevitsy va nareo fa avy zaho mba handay fiadana eto an-tany? Tsia, mivola aminareo zaho, fa fisarahany aza. 52Manomboky zao dia hisy dimy ao amin'gny tragno raiky zay hisaratsaraky olo telo manohitsy gny roa, sady olo roa manohitsy gny telo. 53Hisaratsaraky I reo, gny ray hanohitsy gny gnanaky lahy, sady gny gnanaky lahy, sady gny gnanaky lahy hanohitsy gny ray, gny reny hanohitsy gny gnanakiny vavy sady gny gnanakiny vavy hanohitsy gny vinanto vavy, sady gny vinanto vavy hanohitsy gny rafozam-bavy."54Nivola tamindreo vahoaky koa Jesosy hoe: "Lafa mahajery rahony miforony egny andrefana nareo, dia hoy avy hatrany nareo hoe: 'Hisy ranon'orana ho avy,' sady mitranga zay. 55Lafa misy rivotsy mitsoky avy avy atsimo, dia hoy nareo hoe: 'Hisy hafana be ho avy,' sady mitsanga zay. 56Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo gny maliniky ro toetra gny tamy tagny lanitsy, fa ahoa ro tsy ahaizanareo mamantatsy zao andro ankehitriny zao?57Nahoa nareo ro tsy mitsara zay marina ho an'gny tenanareo? 58Fa Lafa mandeha miaraky amin'gny mpifanandriny aminareo eo anatrehan'gny mpitsara ambony nareo, egny an-dàlany dia miezaky handamina gny olany miaraky amin'gny mba tsy handehanany handrirotry anareo eo amin'gny mpitsara, ary mba tsy hanoloran'gny mpitsara anareo agny amin'gny mpamatotsy, ary mba tsy handefasan'gny mpamatotsy anareo agny amponja. 59Hoy zaho aminareo, tsy ho tafavoaky ao mihitsy nareo mandra-pandoanareo gny vola farany zay maliniky indrindra."
Chapter 13

1Taminy zay andro zay, nisy olo sasany teo nivola taminy gny momba reo Galiliana zay gny rànireo I ro nafangaron'i Pilato tamin'gny sorony manokany. 2Namaly Jesosy sady nivola taminireo I hoe: "Ianareo va mieritseritsy fa reo Galiliana reo dia mpanota mihoatry noho reo Galiliana hafa iaby satria nijaly mitovy zay? 3Tsia, Zaho mivola anareo. Fa laha tsy mibebaky I anareo, I anareo iaby dia ho maty mitovy zay.4Na regny olo valo ambon'gny folo tao Siloama zay nianjeran'gny tilikambo ka nahafaty azy reo, mieritseritsy fa nareo fa tena mpanota raty mihoatry noho reo johary hafa tao Jerosalema regny? 5Tsia, hoy Zaho. Fa Ianareo laha tsy mibebaky, ianareo iaby avao koa dia ho maty."6Jesosy nanao zao fagnohara zao hoe: "Nisy olo nanana hazony aviavy raiky novoleny teo amin'gny tanim-boalobony sady avy I sady nijery voankazo teo aminy nefa tsy mahajery na ino na ino. 7Lay johary dia nivola tamin'gny mpanao zaridainy hoe: 'Ingo, avy teto zaho nandritra gny telo taona sady niezaky nila voa taminy ity hazo aviavy ity kanefa tsy nahajery mihitsy. Kapaho io. Nahoa io ro enga manimba gny tany?'8Namaly lay mpanao zaridainy ka nivola hoe: 'Engao ho eo io aloha amin'ity taona ity mandra-pihadiko magnodidy azy sy hanasiako zeziky do aminy. 9Laha mamoa I amin'gny taona manaraky, soa; fa laha tsy zay, dia kapaho I!"'10Sady Jesosy nampianatsy tao amin'gny raiky tamin'gny Synagoga nandritsy gny Sabata. 11Ingo, nisy ampela raiky zay nanana gny fanahy ratin'gny fahalemeny nandritsy gny valo ambon'gny folo taona teo, sady I dia nivokoka sady tsy nahavita nijoro soa.12Nony nahita azy Jesosy, dia nikaiky azy ka nivola hoe: "Ry vehivavy, afaky amin'gny fahalemenao ianao." 13Napetrany teo aminy gny tagnany, sady niaraky taminy zay dia nitraka lay vehivavy sady nihoby an'Andrianagnahary. 14Saingy gny mpanapaky gny Synagoga dia nasiaky noho gny fanasitranany nataon'i Jesosy tamin'gny Sabata. Noho zay dia namaly lay mpanapaky sady nivola tamin'gny vahoaky hoe: "Misy enin'andro zay tokony iasany. Miavia ka sitràna, fa kosa tsy amin'gny andro Sabata."15Gny Tompo namaly azy ka nivola hoe: "Ry mpiatsaravelatsihy! Moa va tsy samy mamaha gny boriky na gny ombiny ao amin'gny valany ianareo ka manday zay hisotro rano amin'gny sabata? 16Sady toy zay koa ity gnanaka ampelan'i Abrahama, zay voafatotr'i Satana nandritsy gny valo ambin'gny folo taona ity, tsy tokony mba ho vahany va gny fatorany amin'gny andro sabata?"17Sady laha nivola zay raha iaby zay I, dia megnatsy reo raha zay manohitsy azy, fa gny vahoaky raiky manontolo dia faly noho reo raha iaby malaza nataony.18Sady Jesosy nivola hoe: "Toy gny ahoa gny fanjakan'Andrianagnahary, sady toy gny ino ro araky agnoharako zay?" 19Zay dia toy gny voatsinapy zay nalainy sy nafafin'gny johary raiky teo an-jaridainany, ka lasa hazo lehibe reiky, sady gny voron'gny lanitsy dia nanamboatsy gny tragnony teo amin'ireo rantsany."20Mbo nivola avao I hoe: "Ino ro afaky hampitahako gny fanjakan'Andrianagnahary? 21Zay dia toy gny masirasira zay nalainy gny vehivavy raiky ka nafangarony taminy gny koba in-telony gny famarany mandra-piparitahany ao anatin'gny koba iaby."22Jesosy dia nandeha nitety gny tanà sy gny vohitsy tsiraikiraiky regny an-dàla manokany Jerosalema sady nampianatsy azy reo. 23Nisy anankiray nivola taminy hoe: "Tompo, moa va vitsy gny olo ro ho vonjeny?" Sady hoy I taminireo I hoe: 24"Mialia gny hilitsy gny varavarany tery I anareo, satria, zaho mivola aminareo, maro to te-hitsofoky, fa tsy ho afaky gny hilitsy.25Lafa injay mitsanga lay tompon-tragno sady manily gny varavarany, dia hijoro ao ivelany eo I anareo ka handondona gny varavarany sady hiteny hoe: 'Tompo, Tompo, ampidiro zahay.' I hamaly ka hivola aminareo hoe: 'Tsy haiko I anareo na gny fiavianareo.' 26Sady hiteny Ianareo hoe: 'Nihinana sy nisotro teo alohanao zahay, sady Ianao fa nampianatsy teny an-dalambenay.' 27Fa I dia hamaly hoe: 'Milaza aminareo zaho, tsy haiko zay fiavianareo. Mialà eto amiko, I anareo mpanao raty!'28Hisy fitomania sy fikitroha-nify lafa ingo I anareo mahajery an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, sy gny mpaminany iaby ao amin'gny fanjakan'Andrianagnahary, saingy voaroaky agny ivelany I anareo. 29I reo dia ho avy avy any atsinanana, andrefany, avaratsy, sady atsimo ka hipetraky eo amin'gny latabatsy gny fanjakan'Andrianagnahary. 30Fantaro zao, reo zay tsy dia manan-danja ro ho voalohany, sady reo zay tena mana-danja ro ho fatany."31Tafarany kelin'gny zay, nisy Fariseo sasany avy sady nivola taminy hoe: "Mandehana agnambarao gny eto satria Heroda dia te-hamono anao." 32Jesosy nivola hoe: "Mandehana sady volagno zay amboahaolo zay hoe: 'Ingo, zaho mandroaky demonia sy manao fagnasitranana anio sy rahampitso, sady amin'gny andro fahatelo dia tratrako gny tanjoko.' 33Na ino na ino mitranga, raha bevata amiko gny manohy anio, rahampitso, sy gny andro magnaraky, satria tsy azo ekena gny famonoa gny mpaminany lavitsy an'i Jerosalema.34"Ry Jerosalema, ry Jerosalema, zay mamono gny mpaminany sy mitora-bato reo zay nirahiny tagny aminareo. Impiry zaho ro nagniry gny hanangona gny gnanakareo mitovy gny akoho vavy manangona gny gnanakiny ambany elany, kanefa tsy nagniry zay ianareo. 35Ingo, nengany gny tragnonareo. Zaho dia mivola aminareo, tsy ho hitanareo Zaho ambara-pitenenareo hoe: "Sambatsy zay avy amin'gny anaran'gny Tompo."'

Chapter 14

1Sady indray Sabata, lafa nandeha amin'gny tragno gny raiky tamindreo mpitariky gny Fariseo hihina mofo I dia nanara maso Azy akaiky I reo. 2Ingo, teo alohany nisy johary raiky zay nampijalian'gny edema. 3Jesosy nagnontany reo manam-pahaizany amin'gny alalàgny Jiosy sy reo Fariseo hoe: "Azo atao va gny manasitrany amin'gny andro Sabata, sa tsia?"4Fa I reo dia nangina. Noho zay dia noraisin'i Jesosy I, sady nositraniny, dia nalefany handeha. 5Hoy I tamin'ireo hoe: "Ia aminareo zay manan-janaky lahy na omby tafalatsaky anaty fatsakany amin'gny andro Sabata ro tsy hisintony azy avy hatrany?" 6I reo dia tsy nisy nahavita nagnome valiny anireo raha reo.7Lafa tsikaritr'i Jesosy gny fomba fisafidiananireo zay nasainy gny toeram-boninahitsy, nanao fagnoharany I, nivola taminireo I hoe: 8"Lafa asainy amin'gny lanonam-panambadiany ianareo, ka mipetraky eo amin'gny toeram-boninahitsy, satria mety nisy olo nasainy mbo manam-boninahitsy noho ianareo. 9Lafa avy lay olo zay nanasa anareo, dia hiteny anareo I hoe: "Omeo an'ity olon-kafa ity gny toeranao, sady ampahamenarany ro andehananareo hamonjy gny toerany ambony indrindra.10Fa laha asainy ianareo, mandehany dia mipetraky amin'gny toera ambany indrindra, amin'gny zay lafa mandalo eo lay nanasa anao, dia mety hiteny anao I hoe: "Ry namana, miakara amin'gny ambonimbony. Sady avy eo dia homem-boninahitsy ianareo eo anatrehanireo zay iaby miray latabatsy aminareo. 11Fa reo zay manandra-tena dia hahetsy, sady I zay manetri-tena dia hasandratsy."12Jesosy avao koa dia nivola tamin'gny lay johary nanasa azy hoe: "Lafa manome sakafo na fanasany ianao, dia aza manasa reo namanao na reo rahalahinao na reo akaiky anao na reo mpanakarena manodidiny anao, amin'gny mety hanasany anao koa ho takalony zay, dia ho voavaly ianao.13Fa lafa manao fanasany ianao, asao gny mahantra, gny kilemaina, gny mandringa, sady gny Jamba, 14dia ho sambatsy ianao, satria tsy afaky hamaly anao I reo. Fa ianao dia ho voavaly amin'gny fitsanganan'gny marina."15Lafa naheno reo raha reo gny raiky tamindreo niray latabatsy tamin'i Jesosy, dia nivola taminy I hoe: "Sambatsy zay hihina gny mofo ao amin'gny fanjakan'Andrianagnahary!" 16Fa Jesosy nivola taminy hoe: "Nisy johary raiky nikarakara sakafo bevata sady nanasa olo maro. 17Lafa voakarakara gny sakafo, dia naniraky gny mpanompony I nivola anireo zay nasainy hoe: 'Mandrosoa, fa gny raha iaby dia fa vonona.'18I iaby dia nitovy saina sady manomboky nanao fialan-tsiny. Lay voalohany nivola taminy hoe: 'Nivily saha zaho, ka tokony himboaky zaho sady ijery zay. Miala tsiny zaho.' 19Raiky hafa nivola hoe: 'Nivily omby folo zaho, sady andeha hamantatsy azy reo. Miala tsiny zaho.' 20Avy eo dia nisy johary hafa nivola hoe: 'Vao avy nampiaka-bady zaho, sady noho zay dia tsy afaky gny ho avy zaho.'21Dia avy lay mpanompo sady nivola tamin'gny tompony reo raha reo. Avy eo lay tompon-tragno nasiaky ka nivola tamin'gny lay mpanompony hoe: 'Mandeha malaky egny aminireo lalambe sy sakeli-dalany eto an-tanà dia ento aty gny mahantra, gny mandringa, gny jamba, sady gny kilemaina.' 22Nivola lay mpanompo hoe: 'Tompo, fa vita zay nobaikonao, fa mbo misy toera avao.'23Hoy ity tompony taminy lay mpanompony hoe: "Mandeha egny aminireo lalambe sy sisim-boly sady tereo I reo ho avy, amin'gny zay ho feno gny tragnoko. 24Fa ambarako aminareo, tsy hisy hanandrany gny sakafoko reo johary zay nasainy."'25Sady vahoaky maro ro nandeha niaraky taminy, sady nitodiky I sady nivola azy reo hoe: 26"Laha misy aminareo magnatona Any sady tsy mankahala gny rainy, gny reniny, gny valiny, gny gnanakiny, reo rahalahiny sy reo rahavaviny, sady na gny fiainany aza, dia tsy afaky gny ho mpianatro I. 27Na ia na ia tsy milanja gny hazofijaliany sady mangataky any dia tsy afaky gny ho mpianatro.28Fa ia aminareo, zay magniry gny hananga tilikambo, ro tsy mipetraky aloha sady mikajy gny fandaniany laha mana zay ilany hamitany azy I? 29Laha tsy zay, lafa nametraky gny fototsy I nefa tsy nahavita zay akory, dia hanomboky handatsa azy reo iaby zay mahajery zay, 30manao hoe: 'Io johary io ro manomboky nananga kanefa tsy nahavita akory.'31Na koa mpanjaka ino, laha handeha hifanehitsy amin'gny mpanjaka hafa amin'gny aly, ro tsy mipetraky aloha sady haka hevitsy laha miaraky amin'gny johary raiky haliky dia afaky hialy amin'gny mpanjaka hafa zay avy manohitsy azy miaraky amin'gny johary roa aliky? 32Laha tsy zay, laha mbo lavitsy gny tafiky hafa, dia mandefa antoko I sady mangataky fepetra ho amin'gny fihavanany. 33Ka noho zay, na ia na ia aminareo tsy mahafoy zay iaby hananany dia tsy afaky gny ho mpianatro I.34Soa gny sira ,fa laha trombo gny tsirony lay sira ahoa ro hipoliany hasira indray? 35Tsy misy ilany tany azy na dia gny zezi-tany aza. Ariany fotsiny zay. Zay manan-tsofiny ho enti-mihaino, aoky I hiaino."

Chapter 15

1Sady reo mpamory hetra iaby sy gny mpanota sasany dia avy teo amin'i Jesosy mba hihaino azy. 2 Nifampimonomono reo Fariseo sy reo mpanora-dalàna, nivola hoe: "Io johary io dia mandray mpanota, sady miara-mihinana aminireo mihitsy aza."3Jesosy nanao zao fagnohara zao taminireo, nivola hoe: 4"Ia aminareo, laha mana ondry zato I sady avy eo tsombo gny raiky aminireo, ro tsy handao gny sivy amby sivy folo agny an-tany efitra, sady handeha hitady lay raiky tsombo mandra-pahitany azy? 5Sady lafa hitany zay, dia apetrany eo an-tsorony sady mifaly I.6Lafa avy ao an-tragno I, dia hiantso avokoa reo namany sy reo mpiara-monina aminy, miteny azy reo hoe: 'Mifalia miaraky amiko, fa hitako lay ondriko tsombo.' 7Toy zay koa, mivola aminareo zaho, fa hisy fifaliana agny an-danitsy noho gny mpanota raiky zay mibebaky, mihoatsy noho reo olo marina sivy ambiny sivy folo tsy mila mibebaky.8Na Ia ro ampela zay manana farantsa kely folo, laha tsombo gny farantsa raiky, ro tsy andrehitsy gny jiro, hamafa gny tragno, sady hitady amim-pahazotoany mandra-pahitany zay? 9Lafa hitany zay, dia hikaiky avokoa reo namany sy reo mpiara-monina aminy, ka nivola hoe: "Mifalia miaraky amiko, fa itako lay farantsa kely raiky tsombo. 10Toy zay koa, Zaho mivola aminareo, misy fifaliana eo anatrehan'gny Anjelin'Andrianagnahary amin'gny mpanota raiky zay mibebaky."11Avy eo Jesosy nivola hoe: "Nisy johary raiky manan-janaky roa lahy, 12sady gny faralahiny taminireo nivola tamin'gny rainy hoe: 'Ray ô, omeo any gny anjara harena zay tokony ho any.' Koa dia nozarainy tamindreo gny fananany.13Tsy ela tafarany zay, lay faralahiny nanangona gny anjarany iaby ka nandeha tamin'gny firenena raiky lavitsy teo, sady tagny I no nandany fahatany reo harenany iaby tamin'gny fiainany maditra. 14Sady laha laniny avokoa gny iaby, dia nisy mosary bevata niely taminio firenena Io, ka nanomboky tao anatin'gny tsy fahampiany I.15Nandeha I sady nikarama tamin'gny raiky taminireo mponiny tao aminio firenena io, zay mandefa azy tagny amin'gny sahany mba hamahana kiso. 16Te hihina mare reo sakafo fihinany gny kiso I, satria tsy nisy olo nagnome azy na ino na ino.17Fa laha avy sainy lay faralahy, dia nivola I hoe: "Firy aminireo mpanompony gny raiko ro manana hanina mihoatsy gny sahaza, sady ity zaho, matin'gny hanohana! 18Hengako eto ka ho agny amin'gny raiko zaho, sady zaho nivola aminy hoe: "Ray ô, efa nanota tamin'gny lanitsy zaho, sy teo imasonao. 19Tsy mendriky gny hikaiky hoe gnanakinao intsony zaho; ataovy toy gny raiky aminireo mpanomponao zaho."20Noho zay nandeha lay faralahy ka nankany amin'gny rainy. Laha mbo lavitsy I, dia jeriny lay rainy, sady tohiny nangoraky, ka nihazakazaky, sady namihiny sy nanoroky azy. 21Lay Gnanaky lahy nivola hoe: 'Ray ô, fa nanota tamin'gny lanitsy sy teo imasonao zaho. Tsy mendriky gny hikaiky hoe gnanakinao zaho.'22Lay ray nivola tamin'gny mpanompony hoe: "Andeso malaky reo akanjo soa indrindra, ka ampiakanjoy azy, sady asio peratsy gny tagnany, sy kapa gny tombokiny. 23Avy eo andeso lay gnanak'omby matavy ka vonoy zay. Andao tsika hankalaza amin'gny lanonana! 24Satria gny gnanako lahy dia maty, sady ankehitriny velo indray. Very I, sady ankehitriny dia hita indray. Avy do dia nanomboky nikorana I reo.25Sady lay lahimatoany dia tagny an-tsaha. Noho tamy sady nagnontany lay tragno I, dia naheno mozika sy dihy. 26Nikaiky gny raiky tamindreo mpanompo I sady nagnontany azy hoe mety ho ino zay raha zay. 27Lay mpanompo nivola taminy hoe: 'Holy ato an-tragno gny rahalahinao ka novonoiny gny rainareo lay gnanak'omby matavy, satria avy soa aman-tsara I.'28Nasiaky lay lahimatoa, sady tsy nety nilitsy, dia nimboaky gny rainy, sady niangavy azy. 29Saingy namaly lay lahimatoa sady nivola tamin'gny rainy hoe: 'Jereo, fa an-taonany maro to nanompoko anao, sady mbo tsy nandika gny lalànao zaho, sady ianao tsy mbo nagnome na dia gnanak'osy nafahako nikorana niaraky taminireo namako aza, 30kanefa laha avy gny gnanakinao lahy, zay nandriantsy gny fananao tamin'gny mpivaro-tena, dia novonoinao ho azy lay gnanak'omby nafahy.'31Hoy lay ray taminy hoe: 'Gnanaky, ianao dia miaraky amiko avao, sady zay iaby zaho dia anao. 32Kanefa rariny ho antsika gny mikorana sy mifaly, satria ity rahalahinao dia maty sady ankehitriny dia velo indray; very I, sady ankehitriny dia hita indray."'
Chapter 16

1Dia hoy koa Jesosy tamindreo mpianatsy hoe: ''Nisy johary mpanan-karea raiky nana mpitantana, ary notanterahany tagny aminy fa io mpitantana io ro nandany gny fananany iaby. 2Koa nampikaiky azy lay johary mpanan-karea sady nivola taminy hoe: 'Ino zay kasako momba anao zay? Magnomeza tatitsy mombany gny asa fitantananao, fa iha tsy ho afaky gny ho mpitandri-panana intsony.'3Sady lay mpitandri-panana nivola tagny an-tsainy hoe: ''Ino lehy ro tokony ataoko, fa manala ahy aminy gny asa tantaniko gny tompoko? Tsy manan-kery hiasa tagny zaho, ary megnatsy gny hangataky zaho. 4Haiko gny ho ataoko, lafa mba esoriny aminy gny asa fitantaniko zaho, dia hampandroso ahy ao an-tragno I reo gny olo.'5Avy eo lay mpitan-draharaha nikaiky gny kiraikiraiky tamindreo mpitrosany gny tompony, sady nagnontany lay voalohany I hoe: 'Ohatrino ro anagnany tompo agny aminao?' 6Nivola I hoe: 'Menaky oliva zato litatsy.' Nivola taminy I hoe: 'Alao gny taratasinao, mipetraha malaky, sady dimampolo soraty.' 7Ary avy eo lay mpitantana nivola tamy gny raiky hoe: 'Ohatrino gny trosanao?' Nivola taminy I hoe: 'Vary zato famara.' Nivola I hoe: 'Alao gny taratasinao, sady soraty hoe valopolo.'8Avy eo lay tompo sady nidera lay mpitanta tsy marina satria niasa tamin-kafetsea I. Fa fetsy tokoa gny gnanaky zao tontolo zao gny aminy gny fifanaraha aminy I samy olo noho gny gnanaky gny fahazava. 9Mivola aminareo zaho, mitadiava nama aminy gny alalany gny vola tsy marina, aminy zay lafa lany zay, dia mety ho raisindreo ao amin'gny fonena mandrakizay nareo.10Zay mahatoky aminy gny kely indrindra sady mahatoky aminy gny be koa, ary zay tsy marina amin'gny kely indrindra dia tsy marina amin'gny be koa. 11Lafa tsy mahatoky amin'gny fampiasa vola tsy marina nareo, zay ro hatoky anareo amin'gny harea marina? 12Laha tsy mahatoky amin'gny fampiasa gny vola gny olo hafa nareo, ia ro hagnome vola ho anareo manokany?13Tsy misy mpanompo afaky manompo tompo roa, fa na ia hankahala gny anakiay dia ho tia gny riky, na koa I hanolo-tena ho any gny raiky hanao tsinontsino lay hafa. Tsy afaky manompo an'Andrianagnahary sy gny harea nareo."14Ary gny Fariseo, zay tia vola, lafa nahakasa zay raha iaby zay, dia nanamavo azy I reo. 15Nivola tamindreo I hoe: ''Nareo sady manamary gny tegnanareo eo imasony gn'olo, fa Andrianagnahary mahalala gny fonareo. Fa zay hasandratsy eo aminy gn'olo dia hankahalay eo imason'Andrianagnahary.16Gny lily sy reo mpaminany sady nisy mandra-piavin' i Jaona. Fa hatraminy zay fotoa zay, no fa nitoriany gny filazantsarany gny fanjakan'Andrianagnahary, sady gny tsiraikiraiky dia niezaky nagnitsy gny lalany ho aminy zay. 17Fa moramora tokoa gny hahafoa gny lagnitsy sy gny tany noho gny soratsy kely indrindra ao aminy gny lala ho avy tsy manan-kery.18Zay misaraka aminy gny valiny ka mampakatsy ampela hafa sady mijangajanga, ary zay mampakatsy ampela zay fa nisara-baly dia mijangajanga.19Ary nisy mpanan-karea raiky zay niankanjo voloparasy sy rongony manify sady nankamamy isan'andro gny harembeny. 20Nisy mpangataky raiky kehy hoe Lazarosy nimpetra teo aminy gny vavahadiny, 21rakotsy avy eo ambony latabatsy lay johary mpanan-karea. Fa na gny alika aza avy sy nilelaky gny feriny.22Ary ingo maty lay mpangataky ka nandesindreo anjely ho eo agnilan'i Abrahama. Maty avao koa lay mpanan-karea ka nalevy, 23sady tao aminy gny fahavereza, lafa nampijaliany, dia nanandratsy gny masony I sady nahajery an'i Abrahama tegny alavitsy sy Lazarosy teo agnilany.24Koa nitoreotoreo mare I sy nivola hoe : Abrahama Ray, mamindra fo amiko mba alefaso Lazarosy, mba handrobohany gny tendrony gny rantsan-tagnany ao agnaty rano sady hampanintsinintsy gny lelako, fa ato agnatany gny fangirifiriany mare agnatiny toy afo toy zaho.''25Fa Abrahama nivola hoe: 'Anaky, tsiarovy fa taminy gny androm-piainanao dia nahazo raha soa iha, sady gny an'i Lazarosy koa raha raty. Fa henanikizao I ato dia voatambitamby, sady iha ao aminy gny fangirifiriany. 26Ankotsy zay iaby zay, dia nisy hantsany bevata napetraky, mba tsy ho afaky hiampita zay te -hiampita avy etoy mankeny aminareo, sady tsy misy afaky hiampita avy egny hagnatoy aminay.'27Lay johary mpanan-karea nivola hoe: 'Mitalaho anao zaho, lay Abrahama Ray, mba hagnirahanao azy ho agny an-tragnon-draiko__ 28fa mana rahalahy dimy zaho__mba afahany gny mampitandrina andreo, noho gny tahotsy gny hiaviandreo atoy aminy toy toerany gny fijalia toy avao koa.'29Fa Abrahama nivola hoe: 'Mana an'i Mosesy sy gny mpaminany ndreo; aoky reo hikasa andreo.' 30Ary namaly lay johary mpnan-karea hoe: 'Tsia, lay Abrahama Baba, fa lafa misy avy aminy gny maty mandeha amindreo, dia hibebaky reo.' 31Fa Abrahama koa nivola taminy hoe: 'Lafa tsy mikasa an'i Mosesy sy reo mpaminany reo, dia tsy resy lahatsy mihitsy na misy olo mitsanga aminy gny maty aza.'
Chapter 17

1Jesosy nivola tamindreo mpianany hoe: 'Azo antoky fa hisy raha afaky hanosiky antsika hanota, fa loza ho any gny olo zay hiaviany zay! 2Soa ho azy tokoa raha asiany vato be eo aminy gny vozony ka atoraky agny an-driaka, toy zay hahatafintohiny gny raiky amindreo maliniky reo.3Mitandrema nareo. Lafa manota gny rahalahinareo, volagno mare I, sady lafa mibebaky I, mamelà azy. 4Lafa manota aminao impito ao agnatiny raiky andro I, ka impito mipoly aminao I, mivolagna hoe: 'Mibebaky zaho,' dia tsy maintsy mamela azy iha!''5Reo apostoly nivola taminy gny Tompo hoe: "Ampitomboy gny finoanay." 6Gny tompo nivola hoe: "Lafa mana finoa ohatsy gny voatsinampy nareo, dia afaky mivola aminio voroihazo io hoe: 'Miongota , sady maniry agny an-dranomasina,' dia hagneky anareo I.7a ia aminareo, ro mana mpanompo miasa tany na miandry ondry, ka hivola aminy lafa avy agny an-tsaha I hoe: 'Avia malaky ka mipetraha mba hihina'? 8Fa tsy hivola aminy va I hoe: 'Hikarakarao raha ho haniko zaho, ka asio fehikibo magnodidy gny ankanjonao dia manompoa ahy mandrapahalaniny gny haniko sy fisotsoko. Sady avy eo iha mihina sy misotso'?9Tsy misaotsy lay mpanompo I satsia nanao reo zay nibakoany azy I, sa misaotsy va I ? 10Na dia nareo koa aza, lafa nahavita reo raha iaby zay nandidiany anareo nareo, dia tokony hivola hoe: 'Zahay dia mpanompo tsy mendriky. Zay tokony nataonay avao ro natanay.'"11Sady lafa nandeha ho agny Jerosalema I, dia nandeha teo aminy gny sisin-tany teo anelanelan'i Samaria sy Galilia. 12Lafa nilitsy tao aminy gny tana raiky I, sady nisy boka folo lahy nifanojo taminy tao. Nitsanga lavitsy azy reo 13ary nanandratsy avo gny feondreo, nivola hoe: ''Jesosy, Tompo o, mamindrà fo aminay.''14Lafa nahajery andreo I, sady nivola tamindreo hoe: "Mandehana da atoro amindreo mpisorona gny tenanareo.'' Lafa gny lasa igny I reo dia nalio. 15Lafa nahajery gny raiky tamindreo fa sitrany I, dia nimpoly, niaraky taminy feo avo nankalaza an'Andrianagnahary. 16Niankohoky teo an-tongotr'i Jesosy I, nanolotsy fisaora ho azy. I dia samritana.17Ary Jesosy nivola hoe: "tsy efa voalio va I folo? Fa aia gny sivy? 18Tsy nisy hafa nipoly hagnome voninahitsy an'Andrianagnahary va, afa-tsy toy vahiny toy?" 19Sady hoy I taminy: "Mitsanga, ka mandehany. Gny finoa ro nahasitsany anao."20Laha Nagnontany reo Fariseo hoe ombia gny fanjakan'Andrianagnahary ro ho avy, dia namaly azy reo Jesosy ka nivola hoe: "Tsy taza-maso gny fiaviany gny fanjakan'Andrianagnahary. 21Tsy hivola koa I reo hoe: 'Itoy lay I!' na hoe: 'Iroy lay I!' Fa ingo, gny fanjakan'Andrianagnahary dia ao agnatinareo."22Hoy I tamindreo mpianatsy: "Avy andro hagnirianareo gny hahajery gny raiky aminy gnandrony gny gnanak'olo, fa tsy hahajery zay nareo. 23Sady I reo dia hivola aminareo hoe: 'Jereo,etoy!' Fa ka miboaky namagnejiky azy reo, 24fa mitovy gny tselatsy mamiratsy mazava iaby mitaratsy avy agny aminy gny ilany gny lagnitsy ka hatragny any aminy gny ilany raiky, dia toy zay gny gnanak'olo aminy gny androny.25Fa voalohany dia tsy maintsy hijaly aminy gny raha maro I ary ho laviny toy taranaky toy. 26Mitovy zay niseho taminy gny andron'i Noa, to hiseho koa aminy gnandrony gny Gnanak'Olo. 27Nihina I reo, nisotro, nanambaly, natolotsy ho ampakariny, mandra-pihavin'gny andro zay nidiran'i Noa tao aminy gny sambofiara ary avy safo-drano ka nandringa azy iaby.28Mitovy zay nitranga taminy gny andron'i Lota__nihina sady nisotro I reo, nivily sy nivarotsy, namboly sy nanao tragno. 29Fa taminy gny andro zay nimboahan'i Lota avy tao Sodoma, dia afo sy solifara ro nilatsaky avy tagny an-dagnitsy ka nandringa azy iaby.30Sady ohatrany zay koa gny aminy gny andro hisehoany gny gnanak'olo. 31Amy zay andro zay, ka enga hijetsy hangala reo entany ho egny ivelany tragnony zay egny aminy gny tampon-tragno; sady ka enga hipoly zay agny An-tsaha.32Tadidio gny valin'i Lota. 33Na ia na ia mitady hamonjy gny ainy dia hahavery azy, fa na ia na ia hahavery gny ainy dia hamonjy azy.34Mivola aminareo Zaho, fa aminy zay haliky zay dia hisy olo roa eo amboniny gny fandriany raiky. Gny dia horaisiny, sady gny raiky ho engany. 35Ary hisy roa vavy miara-madondo vary. Gny raiky ho raisiny,ary gny raiky ho engany." 36[Fanamariha: reo fandika taloha soa indrindra dia manala gny andininy faha 36 hoe: "Hisy roa lahy agny an-tsaha; gny raiky ho alany, ary gny raiky ho engany."] 37Nagnontany azy I hoe: "Aia,Tompo?" Sady I mivola tamindreo hoe: "Zay hipetsahany gny faty, dia agny koa ro hisy votoro hiara-miangona."
Chapter 18

1Avy eo I nivola fagnohara tamindreo gny momba gny tokony hivavahanireo mandrakariva, sady tsy ho kivy, 2nivola hoe: "Tao amin'gny tanà dia nisy mpitsara zay tsy natahotsy an'Andrianagnahary sady tsy nanaja olo.3Sady nisy mpitondra-tena raiky tao amin' io tanà io, sady I nandeha aminy matetiky, nivola hoe: "Ampio zaho mba hahazoako rarigny manoloany gny fahavaloko. 4Fa efa hatry gny ela I ro tsy vonona gny hanampy azy, fa tafarany keliny zay dia nivola tamin'gny tenany I hoe: "Na dia tsy matahotsy an'Andrianagnahary aza zaho na tsy manaja olo, 5fa koa satria manahira any ity mpitondra-tena ity, dia hanampy azy zaho mba hahazoany rariny, mba tsy handreraky any noho gny fivezivezeny lava aty intsony I."6Avy eo nivola gny Tompo hoe: "Kasao zay ambarany lay mpitsara tsy marina. 7Sady tsy hinday rariny ho agny zay voafiliny zay mikaiky mare azy andro amagnaliny koa va Andrianagnahary? Hangatak'andro lava aminireo va I? 8Ambarako aminareo fa handay rariny malaky aminireo I. Toy zay koa, lafa avy gny Gnanak'Olo, hahajery finoa ety an-tany tokoa va I?"9Avy eo koa I nivola zao fagnohara zao tamin'gny sasany zay nahatoky gny tenanireo fa hoe marina sy zay manevateva reo olo hafa: 10"Nisy roa lahy niakatsy tao an-tempoly mba hivavaky_gny raiky dia Fariseo sady gny raiky hafa dia mpamory hetra."11Lay Fariseo mitsanga sady nivavaky reto raha momban'gny tenany reto hoe: 'Andrianagnahary ô, misaotsy anao zaho fa tsy mitovy amin'gny olo hafa_mpangalatsy, olo tsy marina, mpijangajanga na mitovy ity mpamory hetra ity aza. 12Mifaly hagniny indroa isan-kerinandro zaho. Magnome gny ampahafolony zay azoko iaby zaho.'13Fa lay mpamory hetra, nijoro tegny alavitsy, tsy nety nanandratsy gny masony tegny amin'gny lanitra akory, fa niteha-tratra, nivola hoe: 'Andrianagnahary ô, mamindrà fo amiko, mpanota.' 14Mivola aminareo zaho, io Johary io dia nipoly nijotro tagny an-tragnony voamarina noho lay raiky, satria zay iaby manandra-tena dia hahetsy, fa zay iaby manetri-tena no hasandratsy."15Gny olo koa dia nanday gny gnanany kely teo aminy, mba hikasihany azy reo, fa laha nahajery zay reo mpianatsy, dia nivola mare azy reo. 16Fa Jesosy nikaiky hoe: "Engao gny zaza hanatona ahy, sady aza raràna I reo. Fa agny gny toa azy reo gny fanjakan'Andrianagnahary. 17Ambarako marina aminareo, na ia na ia tsy handray gny fanjakan'Andrianagnahary toy gny zaza dia tsy hilitsy ao aminy zay mihitsy."18Sady nisy mpanapaky raiky nagnontany azy, nanao hoe: "Mpampianatsy soa ô, ino ro tsy maintsy hataoko mba handovako gny fiainana mandrakizay? 19Jesosy nivola taminy hoe: "Nahoa Zaho ro kehinao hoe soa? Tsy misy olo soa, afa-tsy Andrianagnahary rery avao. 20 Hainao reo didy_Ka mijangajanga, ka mamono olo, ka mangalatsy, ka mijoro vavolombelona mavandy, manajà gny babanao sy gny reninao." 21Nivola lay mpanapaky hoe: "Zay iaby zay dia fa nankatoaviko hatry gny fony zaho tanora."22Lafa nahakasa zay Jesosy, dia nivola taminy hoe: "Raha raiky ro tsy ampy aminao. Tsy maintsy mivarotsy zay iaby anagnanao iha sady mizara zay amin'gny mahantra, sady hana harea agny an-danitsy iha_sady avia, manaraha Ahy." 23Fa lafa nahakasa reo raha reo lay mpanapaka, dia nanjary nalahelo loatsy, fa nanan-karea be I.24Sady Jesosy, nanjary nalahelo mare [Fanamariha: Reo manam-pahaizana dia misara-kevitsy lafa tokony ho ampidiriny eto gny teny hoe: [I] dia nanjary nalahelo mare. Ampitahao gny And 23 ] sady nivola hoe: "Manao ahoa gny fahasarotan'gny filirany ao amin'gny fanjakan'Andrianagnahary ho anireo zay mpanan- karea! 25Fa moramora kokoa ho agny gny rameva gny militsy amin'gny vodim- panjaitsy, noho gny hilirany olo mpanan-karea raiky ao amin'gny fanjakan'Andrianagnahary."26Reo zay naheno zay dia nivola hoe: "Ia ro afaky ho vonjea?" 27Jesosy namaly hoe: "Reo raha zay tsy hain'olombelona dia hain'Andrianagnahary."28Petera nivola hoe: "Ingo, nandao gny raha iaby zay anay zahay sady nagnaraky Anao." 29Sady Jesosy nivola taminireo hoe: "Ambarako marina aminareo, fa tsy misy olo zay nahafoy tragno, na vady na rahalahy, na ray aman-dreny, na gnanaky, noho gny fanjakan'Andrianagnahary, 30zay tsy hahazo bebe kokoa amin'ity zao tontolo zao ity, sady amin'gny andro ho avy, dia fiainana mandrakizay."31Lafa avy nanangona gny roa amin'gny folo lahy teo aminy I, dia hoy I taminireo hoe: "Ingo, niakatsy ho agny Jerosalema tsika, ka reo raha iaby zay voasoratr'ireo mpaminany momban'gny gnanak'olo dia ho tanteraky. 32Fa hatolotsy eo aminireo Jentilisa I, ka hihomehezany, sy halany baraka, sady ho roràny. 33Tafarany gny hikapohany Azy, dia ho voninireo I sady amin'gny andro fahatelo dia mitsanga indraiky I."34Tsy nahatakatsy na ino na ino taminireo raha reo I reo, sady nafeniny tamindreo zay teny zay, sady tsy azonireo gny raha zay voalaza.35Sady laha nagnakaiky an'i Jeriko i Jesosy, dia nisy johary jamba raiky nipetraky teo an-tsisin-dalana nangataky, 36sady laha nahakase gny vahoaky nandalo, dia nagnontany zay raha niseho I. 37Nivola taminy I reo hoe nandalo teo Jesosy avy any Nazareta.38Koa nikaiky mare lay johary jamba, nanao hoe: "Jesosy, Gnanak'i Davida, mamindrà fo amiko." 39Fa reo zay nandeha aloha sady nivola mare agny lay johary jamba, ka nivola taminy mba hangina. Fa I vao maiky nikaikaiky mare hoe: " Ry Gnanak'i Davida, mamindrà fo amiko."40Jesosy nijano sady nandidy gny mba hitondrany lay johary ho eo aminy. Sady iaby teo akaiky lay johary jamba, sady nagnontany azy Jesosy hoe: 41"Ino ro tianao hataoko ho anao?" Niteny I Hoe: "Tompo, te-hahiratsy zaho."42Jesosy nivola taminy hoe: " Mahiràta. Gny finoa ro nahasitrany anao." 43Teo noho eo dia nahiratsy I sady nagnaraky Azy, nagnome voninahitsy an'Andrianagnahary. Gny olo iaby, lafa nahajery zay, dia nanolotsy fiderana ho an'Andrianagnahary.
Chapter 19

1Nilitsy Jesosy sady nandalo an'i Jeriko. 2 Indro, nisy lehilahy zay nikehiny hoe Zakaiosy teo. I dia lehiben'ny mpamory hetra sady nanan-karea.3Niezaky gny hahajery I hoe Ia Jesosy, kanefa tsy afaky nahajery tao anaty vahoaky, satria fohy I. 4Koa nilainday nagnaloha reo olo I sady nagnaniky hazo gny aviavy raiky mba hahajery Azy, satria nandalo aminy zay lala zay Jesosy.5Nony avy teo aminy lay toera Jesosy, dia niandrandra I ka nahajery taminy hoe: "Ry Zakaiosy, mijotroa malaky, fa anio dia tsy maintsy hijanona ao an-tragnonao zaho." 6Dia nijotro malaky I sady nandray Azy tamim-pifalia. 7Lafa nahajery zay gny iaby, dia nitaray abokoa, nivola hoe: "Nilitsy hamangy johary zay mpanota I."8Nitsanga Zakaiosy ka nivola tamin'gny Tompo hoe: "Jereo, ry Tompo, gny atsasaky gny fananako dia omeko ho agny gny mahantra, sady laha toa ka nisy raha nagnambakako olo, dia honerako avo efatsy heny." 9Jesosy nivola taminy hoe: "Androany gny famonjea ro avy ato amin'ity tokantragno ity, satria I koa dia gnanak'Abrahama. 10Fa gny Gnanak'olo dia avy mba hitady sy hamonjy reo olo zay very."11Lafa nahakasa zay zaha zay reo, dia nanohy nivola I sady nanao fagnohara raiky, satria teo akaikin'i Jerosalema I, sady I reo nieritseritsy fa hiseho teo noho eo gny fanjakan'Andrianagnahary. 12Noho zay I dia nivola hoe: "Nisy tandapa raiky nandeha tagny an-tana lavitsy mba hahazo fanjakana ho an'gny tenany sady hipoly avy eo.13Nikaiky folo lahy taminireo mpanompony I, sady nanome farantsa folo azy reo, sady nivola taminireo hoe: 'Manaova raharaham-barotsy mandra-pimpoliako.' 14Kanefa reo vahoakiny nankahala azy sady nandefa solontena nanaraky azy, nivola hoe: 'Tsy ilainay gny hanjakan'io johary io eto aminay.' 15Sady lafa hipoly indray I, avy nandray gny fanjakana, dia nandidy reo mpanompony zay nomeny vola mba ho eo aminy I, mba hahafatarany zay tombony azonireo tamin'gny fanaova raharaham-barotsy.16Avy teo alohany gny voalohany, nivola hoe: 'Tompo, gny farantsanao dia hahazo tombony farantsa folo mihoatsy.' 17Nivola azy lay tandapa hoe: 'Soa zay, ry mpanompo soa. Noho ianao nahatoky tamin'gny kely dia kely, dia hanam-pahefa amin'gny tanà folo ianao.'18Avy lay faharoa, nivola hoe: 'Gny farantsanao, tompoko, dia nahavita farantsa dimy.' 19Sady nivola taminy lay tandapa hoe: 'Hiandraikitsy tanà dimy ianao.'20Avy gny raiky hafa, nivola hoe: 'Tompo, ingo gny farantsanao, zay notehiriziko soa tao anaty lamba, 21fa natahotsy anao zaho, satria johary masiaky ianao. Ka maka zay tsy napetrakao, sady mijinja zay tsy nafafinao.'22Nivola taminy lay tandapa hoe: 'Amin'gny teninao manokana ro hitsarako anao, ianao ry mpanompo ratsy fanahy. Hainao fa zaho dia johary masiaky, maka zay tsy napetrako, sady mijinja zay tsy nafafiko. 23 Koa nahoa ro tsy napetrakao tany amin'gny mpitahiry vola gny volako, ka lafa nipoly zaho dia ho nandray zay niaraky tamin'gny gnanany?'24Lay tandapa nivola taminireo zay nijoro teo akaiky teo hoe: 'Esory aminy gny farantsa, sady omeo any lay mana gny farantsa folo.' 25Sady hoy I reo taminy hoe: 'Tompo, mana farantsa folo I.'26'Zaho mivola aminareo, fa zay iaby mana dia homena mihoatsy, fa zay tsy mana, na dia zay ananany aza dia ho alaina. 27Fa reo fahavaloko, reo zay tsy naniry ahy hanjaka eo aminireo, ento aty I reo sady vonoy eto anoloako.'"28Lafa avy nivola anireo raha reo I, dia nandeha nialoha, niakatsy ho agny Jerosalema.29Sady nony avy teo akaikin'i Betifaga sy Betania I, teo amin'gny tendrombohitsy kehy hoe Oliva, dia nagniraky gny roa taminireo mpianany I, 30nivola hoe: "Mandehana agny amin'gny tanà magnaraky. Lafa militsy ianareo, dia hahajery gnana-boriky raiky mbo tsy notaingenan'olo mihitsy. Vahao zay dia andeso aty amiko. 31Lafa misy magnontany anareo hoe: 'Nahoa ro vahanareo io?' dia ambarao hoe: 'Misy ilany gny Tompo azy.'32Reo zay nirahiny dia nandeha ady mahajery lay gnana-boriky araky gny nambaran'i Jesosy taminireo. 33Lafa teo am-pamahana gny gnana-boriky I reo dia hoy reo tompony taminireo hoe: "Nahoa ro vahanareo gny gnana-boriky?" 34Nivola I reo hoe: " Misy ilan'gny Tompo azy." 35Nandesinireo teo ambonin'gny gnana-boriky gny lambany sady nametraka an'i Jesosy teo amboniny. 36Lafa nandeha igny I, dia novelarinireo teo amin'gny lala gny lambanireo.37Sady lafa nanakaiky any lay toera fidina amin'gny tendrombohitsy Oliva I, dia nanomboky nifaly reo mpianany maro be sady nidera an'Andrianagnahary tamin'gny feo mare noho gny asa bevata iaby zay hitanireo, 38nivola hoe: "Derainy anie gny mpanjaka zay avy amin'gny agnarany gny Tompo! Fiadana agny an-danitsy sady voninahitsy agny amin'gny avo indrindra!"39Gny Fariseo sasany teo amin'gny vahoaky dia nivola taminy hoe: "Mpampianatra ô, teneno mare reo mpianatsinao." 40Namaly Jesosy sady nivola hoe: "Ambarako aminareo, fa lafa mangina reo, dia hikiaky gny vato."41Lafa magnontany gny tanà Jesosy, dia nitomagny azy, 42 nivola hoe: "Lafa mba hainao mantsy amin'gny zao andro zao, egny ianao, reo raha zay manday fiadana ho anao! Nefa ankehitriny regny dia miafina amin'gny fijerinao.43Fa ho avy aminao reo andro, zay hananganany gny fahavalonao manda magnodidina anao, sady hanodidina anao, sady hanery anao amin'gny lafiny iaby. 44I reo dia hampianjera anao amin'gny tany niaraky amin'gny gnanakinao. Tsy hamela na dia vato raiky mifanaingina aza I reo, satria ianao tsy nahay zay fony Andrianagnahary niezaky gny hamonjy anao."45Nilitsy tao an-tempoly Jesosy sady nanomboky nandroaky reo zay nivarotsy, 46 nivola taminireo hoe: "Fa voasoratsy hoe: "Gny tragnoko dia natao tragno fivavahana, fa ianareo kosa nanao zay ho zohy fierenireo jolahy."47Koa dia nampianatsy isanandro tao an-tempoly Jesosy. Reo lohan'gny mpisorona sy reo mpanora-dalà sady reo mpitariky gny vahoaky dia nitady hamono Azy, 48 fa tsy nahita fomba hanaovany zay I reo, satria nazoto nijajy azy avokoa gny vahoaky iaby.
Chapter 20

1Sady indray andro, lafa nampianatsy gny vahoaky tao amin'gny tempoly Jesosy sady nitory gny filazantsara, dia nagnontany azy reo lohan'gny mpisorona sy mpanora-dalà niaraky taminireo loholona. 2Nivola I reo, nanao taminy hoe: "Ambarao anay hoe amin'gny fahefana ino ro hanaovanao reo raha reo? Na koa ia ro nagnome anao zao fahefana zao?"3Namaly I sady nivola azy reo hoe: "Zaho koa dia hametraky fagnontaniana aminareo. 4Teneno any gny mahakasiky gny batisan'i Jaona. Moa va zay avy any an-danitra sa avy amin'gny olombelona?"5Niady hevitsy I reo, nivola hoe: "Lafa hamaly tsika hoe: 'Avy agny an-danitra dia hivola I hoe: 'Moa nahoa ianareo ro tsy nino azy?' 6Fa laha mivola tsika hoe: "Avy amin'gny olombelona, dia hitora-bato antsika gny vahoaky iaby, satria I reo dia resy lahatsy fa Jaona dia mpaminany."7Noho zay dia namaly I reo fa tsy haindreo zay niaviany. 8Jesosy nivola taminireo hoe: "Zaho koa tsy nivola aminareo zay fahefana hanaovako zao raha iaby zao."9Noteneniny tamin'gny vahoaky zao fagnohara zao: "Nisy johary raiky nanao tanim-boaloboky, sady nandeha tagny amin'gny firenena hafa nandritsy gny fotoa maharitsy. 10Tamin'gny ora voatondro dia nadefa mpanompo I ho agny aminireo mpamboly voaloboky, fa tokony hagnome azy gny voankazony lay tanim-boaloboky I reo. Nokapohinireo mpamboly anefa I, sady nalefany nipoly tanam-polo.11Avy eo dia nandefa mpanompo hafa indray I sady nokapohinireo avao koa, nalainy baraka, sady nalefanireo tanam-polo. 12Mbo nandefa fanintelony I sady noratranireo koa I, sady noroahiny.13Noho zay dia nivola gny tompony lay tanim-boaloboky hoe: "Ino ro ho ataoko? Halefako agny gny gnanaky lahy malalako. Mety mba ho hajainireo I." 14Fa lafa tazanireo mpamboly voaloboky I, dia nifampiresaky I reo, nivola hoe: 'Io lay mpandova. Ndeha ho vonointsika I, mba ho lasantsika gny lova.'15Noroahinireo niala gny tanim-boaloboky I sady novonoinireo. Ino ro ho ataon'gny tompony lay tanim-boaloboky aminireo? 16Ho avy I sady hamotiky reo mpamboly voaloboky, sady hagnome lay tanim-boaloboky ho any gny hafa." Lafa nahakasa zay I reo, dia nivola hoe: "Sagnatria amin'Andrianagnahary!"17Fa nijery azy reo Jesosy, nivola hoe: "Ino ro hevitsy lay voasoratsy hoe: 'Gny vato zay novalianireo mpanorin-tragno ro avy vato fehizoro? 18Gny tsirairay zay mianjera eo amin'io vato io dia ho torotoro. Fa na ia na ia zay hianjerany, dia ho potiky."19Koa nitady hisambotsy azy tamin'io ora io reo mpanora-dalà sy reo mpisorona, fa hainireo fa nambarany io fagnohara io hanohitsy azy reo. Kanefa natahotsy gny vahoaky I reo. 20Teo am-pandiniha azy soa, dia nandefa mpitsikilo mody ho marina I reo, mba hahafahanireo nahita tsiny amin'gny tenany, ka hanolotsy azy eo amin'gny fanapahany sy ny fahefan'gny governora.21Nagnontany azy I reo, nivola hoe: "Mpampianatra ô, hainay ianao fa mivola sy nampianatsy am-pahamarinana, sady tsy voasariky gny hevitr'ia na ia, fa ianao dia mampianatra gny fahamarina momban'gny lalan'Andrianagnahary. 22Ara-dalà ho anay va gny mandia hetra amin'i Kaisara, sa tsia?"23Fa Jesosy dia nahatakatsy gny hafetsenireo, sady nivola taminireo hoe: 24"Mampisehoa denaria raiky amiko. An'ia io sary sy agnara eo aminy io?" Nivola I reo hoe: "An'i Kaisara."25Hoy I taminireo hoe: "Noho zay omeo an'i Kaisara gny raha zay an'i Kaisara, sady an'Andrianagnahary, reo raha zay an'Andrianagnahary." 26Tsy nahajery tsiny tamin'gny zay nambarany teo anatrehan'gny vahoaky I reo, fa dia nitolagaga tamin'gny valin-teniny ka nangina.27Lafa avy teo amin'gny sasany taminireo sadoseo, reo zay nivola fa tsy misy gny fitsangana amin'gny maty, 28Nagnontany azy I reo, nivola hoe: "Mpampianatra ô, Mosesy dia nanoratra ho antsika fa lafa maty gny rahalahin'gny johary raiky, manam-bady, sady tsy manam-janaky, sady tokony haka vady any lay vadin-drahalahiny lay johary, sady hagnome gnanaky ho an'gny rahalahiny.29Nisy mpirahalahy fito sady gny voalohany nanam-bady, dy maty tsy nanan-janaky, 30sady gny faharoa koa toraky zay. 31Nampakatsy azy gny fahatelo, sady toy zay avokoa I fito samy tsy nanan-janaky, sady maty. 32Tafarany zay dia maty koa lay ampela. 33Amin'gny fitsangana amin'gny maty, ho vadin'ia sady I? Fa samy efa nanam-bady azy I fito."34Jesosy nivola taminireo hoe: "Reo gnanak'izao tontolo zao dia mampaka-bady sy ampakarina. 35Fa reo zay jery amin'gny zao andro zao fa mendriky gny nandray gny fitsangana amin'gny maty dia tsy mampaka-bady na hampakariny. 36Tsy ho faty intsony I reo, satria mitovy aminireo anjely sy reo gnanak'Andrianagnahary, zay gnanaky gny fitsangana amin'gny maty.37Fa gny maty dia natsangana, na Mosesy aza dia nampiseho, teo aminy lay toera zay nisy gny voaroy, zay niantsoany gny Tompo ho Andrianagnaharin'i Abrahama sy Andrianagnaharin'Isaka sady Andrianagnaharin'i Jakoba. 38Sady I dia tsy Andrianagnahary gny maty, fa gny velona, satria gny iaby dia velo ao aminy."39Gny sasany taminireo mpanora-dalà namaly hoe: "Mpampianatra ô, namaly soa ianao." 40Satria tsy sahy nametraky fagnontaniana hafa taminy intsony I reo.41Jesosy nivola azy reo hoe: "Ahoa ro ilazainireo fa Kristy dia gnanaky lahin'i Davida? 42Fa Davida tenany tao amin'gny bokin'ny Salamo nivola hoe: "Gny Tompo nivola tamin'gny Tompoko hoe: 'Mipetraha eo an-tana ankavanako, 43mandra-panaovako gny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao." 44 Noho zay Davida dia nikaiky an'i Kristy hoe: 'Tompo', koa ahoa ro maha gnanak'i Davida Azy?"45Teo anatrehany olo iaby dia nivola taminireo mpianany I hoe: 46"Mitandrema amin'gny mpanora-dalà, zay maniry handeha miaraky amin'gny akanjo lava, sy tia fiarahaba manokany egny an-tsena, sy seza voalohany ao anaty synagoga, sady toera voalohany agny amin'gny fanasana. 47I reo koa dia mandany gny tragnonireo mpitondra-tena, sady manao vavaky lavareny ho fisehosehoany. Gny johary mitovy zay dia hahazo fanameloha bevata kokoa."
Chapter 21

1Jesosy nanopy maso ka nahajery reo johary manan-karea zay nandrotsaky gny fanatitsinireo tao amin'gny fandatsahan-drakitsy. 2Nahajery mpitondra-tena mahantra raiky nandrotsaky farantsa roa tao I. 3Ka Hoy I hoe: "Ambarako marina aminareo, ity mpitondra-tena mahantra ity dia nandrotsaky maro noho I iaby. 4Reo iaby reo dia hagnome fanatitsy araky gny haben'gny hareny. Fa ity mpitondra-tena ity, tamin'gny fahantrany, dia nandrotsaky gny fivelomany iaby."5Lafa nisy maro niresaky momba gny tempoly, fa voaravaka vato soa tarehy sy fanatitsy zay, dia hoy I hoe: 6"Fa gny aminireo raha jerinareo reo, mba ho avy gny andro zay tsy hisy na vato raiky aza hijanona amin'gny hafa ka tsy ho ravaina."7Moa nagnontany azy I reo, nanao hoe: "Ry mpampianatra, ombia reo raha reo ro hitranga? Ino ro famantarana reo ro hitranga reo raha reo?" 8Jesosy namaly hoe: "Mitandrema mba tsy ho voafitaky ianareo. Fa maro ro ho avy amin'gny agnarako, nanao hoe: "Zaho ro I,' sady, 'efa akaiky gny fotoany.' Ka manaraky azy reo. 9Lafa mandre ady sy fikomiana ianareo, dia ka mihorohoro, fa reo raha reo dia tsy maintsy hitranga aloha, fa gny farany dia tsy hitranga eo noho eo."10Sady hoy I taminireo hoe: "Gny firenena dia hitranga hanohitsy firenene, sady fanjakany hanohitsy fanjakany. 11Hisy horohoron-tany bevata, sady mosary sy areti-mandringana agny amin'gny toera samihafa. Hisy tranga mampatahotsy sady famantarana bevata avy any an-danitra.12Fa mialohanireo raha iaby reo, dia hisambotsy anareo I reo sady hanenjika anareo, hanolotra anareo ao amin'gny synagoga sy gny figadrana, hitondra anareo eo anoloanireo mpanjaka sy reo mpanampaka noho gny anarako. 13Zahay dia hagnome fahafahana ho amin'gny fijoroanareo vavolombelo.14Noho zay dia manapaha hevitsy ao aminareo mba tsy hanomana gny fiarovanareo mialohan'gny fotoa, fa Zaho hagnome teny sy fahendrena areo, 15zay tsy afaky toherina sy lavinireo mpanohitsy anareo.16Fa ianareo koa dia ho atolotsy gny ray aman-dreny, reo rahalahy, reo havana sy reo namana, sady I reo dia hamono ho faty gny sasany aminareo. 17Ho halan'gny tsirairay noho ny anarako ianareo. 18Fa tsy hisy ho very na dia singam-bolo raiky eo amin'gny lohanareo aza. 19Amin'gny faharetanareo ro hamonjenareo gny fanahinareo.20Lafa jerinareo voadidiny miaramila Jerosalema, dia hainao fa efa akaiky gny faharavany. 21Dia aoka reo zay agny Jodia handositsy agny an-tendrombohitsy, sady aoky reo zay agny afovoan'gny tanà hiala, sady ka enga hilitsy ao reo zay agny ambanivohitsy. 22Fa reo ro andron'gny valifaty, mba hotanteraky reo raha iaby efa voasoratsy.23Loza ho anireo zay mitondra-vohoka sy ho anireo mampinono aminy zay andro zay! Fa hisy fahoriana bevata eo amin'gny tany, sady hatezerana amin'io vahoaky io. 24Ho lavon'gny sabatsa I reo sady ho entiny ho babo agny amin'gny firenena iaby, sady Jerosalema dia ho voahosihosinireo Jentilisa, mandrapa-tanteraky gny andron'gny Jentilisa.25Hisy famantara egny amin'gny masoandro, egny amin'gny volana, sy egny amin'gny kintana, sady eto an-tany. Ho tra-pahoriana reo firenena, hitaintaina noho gny eron-dranomasina sy reo onja. 26Hisy johary ho toran'gny tahotsy sy gny fiandrasany reo raha zay ho avy eti an-tany. Fa ho voahozongozona gny herin'gny lanitra.27Avy eo dia ho jerinireo gny Gnanak'Olo avy egny amin'gny rahona miaraky amin'gny hery sy voninahitsy bevata. 28Fa lafa manomboky hitranga reo raha reo, dia mitsangà sady hasandrato gny lohanareo, satria efa akaiky gny fahafahana anareo."29Nanao fagnoharana taminireo Jesosy hoe: "Jereo gny hazon'aviavy, sy reo hazo iaby. 30Lafa manaroka reo, dia ho hitanareo manokana fa efa akaiky gny lohataona. 31Toy zay avao koa, lafa hitanareo hitranga reo raha reo, dia hainareo fa efa akaiky gny fanjakan'Andrianagnahary.32Ambarako aminareo, marina tokoa, ity taranaka ity dia tsy ho faty mandra-pisehonireo raha reo. 33Gny lanitsy sy gny tany dia ho levona, fa reo teniko dia tsy ho levona mandrakizay.34Fa Mitandrema amin'gny tenanareo, mba tsy ho vesaran'gny vokatsy gny fisotroany sy gny fahamamoana gny fonareo, sy reo ahiahin'gny fiainana, ka avy eo dia hikatona tampoky aminareo mitovy gny fandriky zay andro zay. 35Fa zay dia ho avy amin'gny tsirairay zay miaina maneran-tany.36Fa mba mailo amin'gny fotoa iaby, mivavaha mba ho ampy hery ianareo handosirany reo raha iaby zay hiseho, sady hitsangana eo anoloan'gny Gnanak'Olo."37Koa nandritsy andro dia nampianatsy tao amin'gny tempoly I, sady gny alina dia nandeha nivoaky I sady nijanona teo an-tendrombohitsy Oliva. 38Reo vahoaky iaby dia avy vao mangiran-draty mba hihaino azy tao amin'gny tempoly.
Chapter 22

1Sady fa antomotsy gny firavoravoana amin'gny mofo tsy misy masirasira, zay kehy hoe Paska. 2Nialy hevitsy reo lohany gny mpisorona sy reo mpanora-dalà gny amin'gny fomba afahanireo mamono an'i Jesosy, satria natahotsy gny olo I reo.3Avy eo Satana nilitsy tamin'i Jodasy Iskariota, zay raiky taminireo roa ambin'gny folo. 4Jodasy nandeha nankany aminireo lohan'gny mpisorona sy reo kapiteny sady nialy hevitsy taminireo gny amin'gny fomba hamadihany an'i Jesosy eo aminireo.5Faly I reo, sady nanaiky gny hagnome vola azy. 6Nanaiky I, sady nitady kendry tohana mba hanolorany azy eo aminireo lavitsy gny vahoaky.7Avy gny androny gny mofo tsy misy masirasira, zay tsy maintsy hanaovany sorona gny gnanak'ondrin'gny Paska. 8Jesosy naniraky an'i Petera sy Jaona, nanao hoe: "Mandehana sady homano ho antsika gny sakafon'gny Paska, mba afahantsika mihina zay. 9I reo nagnontany azy hoe: "Aia ro tianao hanaovanay gny fagnomana?"10Namaly azy reo I hoe: "Kasao, lafa nilitsy gny tanà ianareo, dia hisy johary raiky manday sinin-drano hifanena aminareo. Maharaha azy agny amin'gny zay tragno idirany. 11Dia teneno gny tompon-tragno hoe: "Gny mpampianatra milaza aminao hoe: 'Aia gny efitragno fandraisam-bahiny, zay hihinanako gny sakafon'gny Paska miaraky aminireo mpianatro?"'12I hampiseho anareo efitragno ambony riha bevata misy fanaky. Ataovy ao gny fagnomana." 13Koa dia nandeha I reo, Sady hahajery gny zavatra iaby araky zay nambarany taminireo. Sady nagnontany gny sakafon'gny Paska I reo.14Lafa avy gny fotoa, dia nipetraky niaraky taminireo apostoly I. Dia nivola taminireo I hoe: 15"Nagniry mare gny hihina ity Paska ity miaraky aminireo Zaho mialohany gny hijaliako. 16Fa ambarako aminireo, tsy hihinana ity intsony Zaho, mandra-pahatanteraky zay agny amin'gny fanjakan'Andrianagnahary."17Dia nandray kapoaky Jesosy, sady lafa nisaotsy I, dia nanao hoe: "Raiso ity, sady zarao aminireo. 18Fa ambarako aminireo, tsy hisotro gny vokatsy gny voaloboky intsony Zaho, mandra-pahatonga gny fanjakan'Andrianagnahary."19Dia nandray gny mofo I, sady lafa nisaotsy, dia notapahiny zay, sady nomeny azy reo, dia nivola hoe: "Ity gny vatako zay omena ho anareo. Ataovy zao ho fahatsiarova Ahy." 20Noraisiny mitovy zay koa gny kapoaky lafa vita gny sakafo, dia hoy I hoe: "Ity kapoaky ity dia lay fanekena vaovao amin'gny ràko, zay narotsaky ho anareo.21Fa mitandrema. Lay raiky zay hamadiky Ahy dia miaraky amiko eto an-databatra. 22Fa gny gnanak'olo dia mandeha tokoa araky zay voatendry. Fa loza ho agny zay johary zay hamadiky azy zay !" 23Nanomboky nifapanontany I reo gny amin'gny raiky aminireo zay mety hanao zay.24Dia nisy fifandirany nitranga koa teo aminireo momba zay heveriny ho bevata indrindra aminireo. 25Nivola taminireo I hoe: "Reo mpanjakan'gny Jentilisa dia tomponireo, sady reo zay mana fahefana aminireo dia atao ho toy reo zay manao soa ho any gny vahoakany.26Fa tsy toy zay mihitsy gny aminireo. Mifanohitsy aminy zay, aoky zay bevata indrindra aminireo ho lasa toy gny kely indrindra, sady aoky zay manan-danja indrindra ho avy mitovy zay manompo. 27Fa ia ro bevata kokoa, zay mipetraky amin'gny latabatsy, sa zay manompo? Tsy zay mipetraky eo amin'gny latabatsy va? Kanefa Zaho eto aminareo toy gny raiky zay manompo.28Fa ianareo ro olo zay nanohy niaraky tamiko tao amin'gny fakam-panahy nianjady tamiko. 29Omeko fanjakana ianareo, mitovy gny Raiko koa zay nanome fanjakany ho Ahy, 30mba ho afaky hihinana sy hisotro eo an-databatro agny amin'gny fanjakako ianareo, sady hipetraky eo amin'gny seza fiandrianana hitsara gny fokon'gny Israely roa ambin'gny folo ianareo.31Simona, Simona, mitandrema, mitady gny hahazo anareo Satana, mba hahafahany manivana anareo toy gny vary. 32Fa nivavaky ho anao Zaho, mba tsy ho faty gny finoanao. Aoriany gny hiverenanao indray, dia ampaherezo reo rahalahinao."33Petera nivola taminy hoe: "Tompo, vonona hiaraky aminao zaho na agny am-ponja na ho agny amin'gny fahafatesa." 34Jesosy namaly hoe: "Ambarako aminao, ry Petera, tsy haneno gny akoho amin'gny zay andro zay, mialohany gny handavanao Ahy intelo hoe mahafantatsy Ahy ianao."35Dia nivola taminireo Jesosy hoe: "Lafa nandefa anareo tsy niaraky tamin'gny fitoeram- bola, kitapom-batsy, na kiraro Zaho, nisy raha tsy ampy anareo va? Namaly I reo hoe: "Tsy nisy." 36Dia nivola taminireo I hoe: "Fa zao, zay manana fitoeram-bola, aoka I haka zay, na kitapom-batsy avao koa. Zay tsy mana sabatsy dia tokony hivarotsy gny lambany sady hivily raiky.37Fa zaho mivola aminareo, zay voasoratsy momba ahy dia tsy maintsy tanteraky: 'I dia noraisiny toy gny raiky aminireo tsy manara-dalà.' Fa zay nambarany mialoha momba Ahy dia fa ho tanteraky." 38Dia nivola I reo hoe: "Tompo, jereo! Reto misy sabatsy roa." I nivola taminireo hoe: "Ampy zay."39Tafarany gny sakafo, dia nandeha Jesosy, toy gny fanaony matetiky, tagny an-tendrombohitr'Oliva, sady nanaraky azy reo mpianatra. 40Lafa avy I reo, dia hoy I taminireo: "Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'gny fakam-panahy."41Niala teo aminireo teo ho eo amin'gny indray mitora-bato I, dia nandohaliky I sady nivavaky, 42nanao hoe : "Ray o, lafa sitrakao, dia esory amiko ity kapoaky ity. Na zay aza tsy gny sitrako, fa gny anao ro hatao."43Dia nisy anjely avy agny an-danitra niseho taminy, nampahery azy. 44Tao anatin'gny fangirifiriany, nivavaky tamin-kafanam-po mare kokoa I, sady gny hatsembohany dia lasa toy gny rà nitete tamin'gny tany.45Sady lafa nitsanga avy nivavaky I, dia nankany amin'gny mpianatra, sady hahajery azy reo natory noho gny alaheloireo, 46ka nagnontany azy reo hoe: "Nahoa ro matory ianareo? Mitsangà sady mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'gny fakam-panahy."47Lafa mbo nivola I, indro, nisy vahoaky niseho, niaraky tamin'i Jodasy, raiky aminireo roa ambin'gny folo, nitariky azy reo. Nanaiky an'i Jesosy I mba hanoroky Azy, 48fa Jesosy nivola taminy hoe: "Jodasy, mamadiky gny Gnanak'Olo amin'gny oroky va ianao?"49Lafa nahajery gny raha niseho reo zay nanodidy an'i Jesosy, dia nivola I reo hoe: "Tompo, tokony hamely amin'gny sabatsy va zahay? 50Avy eo gny raiky taminireo namely gny mpanompon'gny mpisoronabe, sady nanapaky gny sofiny havana. 51Jesosy nivola hoe: "Ampy zay!" Nokasihiny gny sofiny, sady nositraniny I.52Jesosy nivola taminy gny lohan'gny mpisorona, taminireo kapiteny gny tempoly, sady taminireo loholona zay avy hanohitsy azy hoe: "Avy toy gny hisambotsy mpangalatsy va ianareo, miaraky amin'gny sabatsy sy langilangy? 53Taminy zaho niaraky taminareo isan'andro tao an-tempoly, tsy nisambotsy Ahy ianareo. Fa zao ro oranareo, sy gny fahefan'gny haizina."54Teo am-pisamborana Azy, dia notarihinireo I, sady nentinireo tagny an-tragnon'gny mpisoronabe. Fa Petera nanaraky avy teny lavidavitsy. 55Lafa avy nampirehitsy afo teo afovoan'gny tokontany sady niara-nipetraky I reo, dia nipetraky teo agnivonireo Petera.56Nisy mpanompo vavy raiky nahajery azy lafa nipetraky teo amin'gny fahazavan'gny afo I, sady nijery mahitsy azy sy nivola hoe: "Ity johary ity koa niaraky taminy." 57Fa Petera nandà zay, nivola hoe: "Ry vehivavy, tsy haiko I." 58Afaky kelikely dia nisy olo hafa nahajery azy, sady nivola hoe: "Ianao koa raiky aminireo." Fa Petera nivola hoe: "Ry johary, tsy I zaho."59Nony afaky adiny iray teo ho eo dia nisy johary hafa nanizingizina sy nivola hoe: "Marina fa niaraky taminy koa ity johary ity, fa I dia Galiliana." 60Fa Petera nivola hoe: "Ry johary, tsy hainao zay teneninao." Teo no ho eo, laha mbo nivola I, dia nisy akoho naneno.61Niheriky, gny Tompo nijery an'i Petera, sady Petera nahatsiaro gny safan'i Tompo, tamin'gny safany taminy I hoe: "Alohan'gny hanenoin'gny akoho anio handà Ahy intelo iha." 62Nivoboaky tagny ivelany Petera sady nitomagny mare.63Sady reo johary niamby an'i Jesosy dia nananihany sady nikapoky azy. 64Nasianireo sarony I sady nagnontany azy I reo, niresaky hoe: "Maminania! Ia lay olo zay mikapoky anao?" 65 Niresaky raha hafa maro hanohitsy an'i Jesosy I reo, niresaky raty Azy.66Laha vao nazava gny andro, dia niara-niangona reo loholona, gny lohan'gny mpisorona sy gny mpanora-dalà. Nandesinireo tagny amin'gny Synedriona I 67 sady niresaky hoe: "Laha iha ro Kristy, dia teneno aminay." Fa I nivola tamindreo hoe: "Laha ho teneniko aminareo, dia tsy hino ianareo," 68 Sady laha hagnontany anareo Zaho, dia tsy hamaly ianareo.69Fa manomboky zao, gny Gnanak'Olo dia hipetraky eo an-tana akavanan'gny herin'andragnahary." 70I iaby nivola hoe: "Dia gnanak'Andragnahary zay ianao?" Jesosy nivola taminireo hoe: "Voambaranareo fa zaho ro I." 71I reo nivola hoe: "Nahoa ro mbo mila vavolombelo tsika? Fa tsika mihitsy ro nahakasa avy tamin'gny tsihoviny."

Chapter 23

1Nitsanga gny olo iaby tamindreo, sady nanday an'i Jesosy teo agnilan'i Pilato. 2Nanomboky niampanga azy I reo, nivola hoe: "Jerinao toy johary toy nametaveta gny firenenay, nandrara gny hagnomezany gny hetra ho an'i Kaisara, sady nivola fa I tenany mihitsy ro Kristy, mpanjaka."3Pilato nagnontany azy, nivola hoe: ''Iha va ro mpanjakany gny Jiosy?'' Jesosy namaly azy sady nivola hoe: ''Voalazanao.'' 4 Pilato nivola tamindreo lohany gny mpisorana sy reo vahoaky hoe: ''Tsy mahajery fahadisoany aminy toy johary toy zaho.'' 5Fa mbola nanizingizy I reo, nivola hoe: ''Manakoronta gny vahoaky io, mpampinatsy erany gny Jodia manontolo, manomboky avy agny Galilia na hatrety aminy toy toera toy aza.''6Koa lafa ren'i Pilato zay, dia nagnontany I lafa tao ka Galiliany lay johary. 7Lafa jeriny fa tao ambany fahefan'i Heroda I, sady nalefany Jesosy nandeha amin'i Heroda, zay tagny Jerosalema avao koa taminy zay andro zay.8Lafa jerin'i Heroda i Jesosy, dia tena falifaly I, satria fa te hjery azy hatry gny ela. Nahakasa gny momba azy I sady nanantena gny hahajery fahagagany maro nataony. 9 Heroda nametra-panotania an'i Jesosy taminy gny teny maro, saigny Jesosy tsy namaly na ino na ino azy. 10Reo lohany gny mpisorona sy reo mpanora-dalàna nitsanga, niampanga mare Azy.11Heroda sy reo miaramila nanevateva an'i Jesosy sady nanesoeso Azy. Avy eo sady nampiakanjo Azy lamba soa tarehy I reo sady nalefandreo nipoly tagny amin'i Pilato I. 12Fa i Heroda sy Pilato dia lasa mpinamana taminy androtr'io (taloha zay dia mpifahavalo I reo).13Bakeo Pilato nikaiky eo lohany gny mpisorona ndraiky reo mpanapaky voho reo vahoaky maro niaraky, 14ary nivola tamindreo hoe: ''Nandesinareo teto amiko toy johary toy mitovy gny johary zay mitariky gny olo hanao raty, ary jereo, zaho nametra-panotania taminy teo anatrehanareo, sady tsy mahita fahadisoa aminy toy johary toy mahakasiky reo raha zay hiampanganareo Azy .15Tsia, na dia Heroda aza, satria nalefany nipoly tatoy amintsika I, sady jereo, tsy misy na ino na ino zay mendriky fahafatesa vitany. 16Noho zay dia ho faiziko I, bakeo ho havototsiko I.'' 17[Fanamariha: Reo fandikany soa indrindra sady tsy manisy gny And 17 hoe: Sady Pilato sady voatery namotsotra gadra raiky ho andreo Jiosy taminy andro hafaliafalia.]18Fa niara-nihina mare I reo, nanao hoe: ''Andeso agny io johary io, sady avotsoro ho anay Barabasy!'' 19Barabasy sady johary raiky zay nailitsy am-ponja noho gny fikomia maro tao an-tana sy famonoa olo.20Ary nivola tamindreo ndraiky Pilato, nagniry gny hamotsotra an'i Jesosy. 21Saingy nitabataba mare I reo, nivola hoe: ''Homboy I, homboy I.'' 22Nivola tamindreo fanintelony I hoe: ''Nahoa, fa ino ro raty vitany toy johary toy? Tsy nahajery na ino na ino zay mendriky sazy famonoa tao aminy zaho. Noho zay raha avy manafay Azy, dia hamotsotry Azy zaho.''23Fa I reo nanizingizy taminy gny feo mare, nangataky Azy mba homboa. Gny feondreo sady nandresy lahatsy an'i Pilato. 24Ka sady nanapa-kevitsy gny hagneky gny fangatandreo Pilato. 25Navototsiny lay raiky nangatahindreo zay nalefa tagny am-ponja noho gny fikomia sy famonao olo. Fa nomeny ho aminy gny sitrapondreo Jesosy .26Sady teo am-pitondra Azy I reo, sady nitana an'i Simona avy agny Syrenia, zay avy agny ambanivohitsy, sady napetrandreo teo aminy gny hazofijalia mba ho entiny, nanaraky an'i Jesosy .27Maro tamindreo vahoaky, sy reo ampela zay nalahelo mare sy nisaona Azy, ro nanaraky Azy. 28Fa lafa nitodiky tagny amindreo, sady nivola Jesosy hoe: "Ry gnanaka ampelan'i Jerosalema, ka mitomagny Ahy, fa mitomagnia ho any gny tegnanareo sy ho andreo gnanakareo.29Fa ingo, hoavy gny andro zay hivolagnanareo hoe: ''Sambatsy reo momba sy reo kibo zay tsy niteraky, sady gny nono zay tsy nampinono zaza. 30Sady hanomboky hivola amindreo tendrombohitsy I reo hoe: 'Mitontà aminay,' sady aminy gny havoa hoe: 'manaro anay .' 31Fa laha manao zay raha zay I reo lafa mbola maitso gny hazo, ino ro hitranga lafa may zay?''32Nisy johary hafa, olon-draty anankiroa, nentiny niaraky taminy mba ho vonoy.33Lafa avy teo aminy toera raiky zay kehy hoe: ''Ikarandoha'' I reo, dia teo ro nanomboandreo Azy, sy reo olon-draty gny raiky teo aminy gny ankavanany ary gny raiky teo aminy gny ankaviany. 34Jesosy niteny hoe: ''O Baba, mamelà andreo, fa tsy fantatrindreo zay ataony.'' Bakeo dia niloka I reo, nizarazara reo fitafiany.35Sady nijoro nijery teo reo olo lafa mbola nananihany Azy koa reo mpanapaky, nivola hoe: ''Namonjy reo hafa I. Avelao I hamony gny tenany, lafa I ro Kristin'Andrianagnahary, lay ray voafily.''36Reo miaramila avao koa sady nagnala baraka Azy, nanatona Azy, nanome Azy vinaingitsy, 37sady nivola hoe: "Laha Iha ro mpanjakany jiosy, vonjeo gny tenanao.'' 38Nisy famantara avao koa teo amboniny hoe: ''Toy ro mpanjakan'i jiosy.''39Gny raiky tamindreo olon-draty zay nihantona teo ro namingavinga Azy taminy gny nivolagnay hoe: ''Tsy iha va ro Kristy? Vonjeo gny tegnanao sy zahay." 40Fa gny raiky nivola mafy Azy, nanao hoe: ''Tsy mba matahotsy an'Andrianagnahary va iha, laha samy ambaniny gny fanameloha mitovy avao? 41Gsika sady eto ara-drariny tokoa, satria mandray zay mendriky gny asantsika tsika. Fa toy johary toy tsy nanao raha raty.''42Bakeo I nivola hoe: ''Jesosy o, tsarovy zaho lafa avy agny aminy gny fanjakanao iha.'' 43Jesosy nivola taminy hoe: ''Ambarako marina aminao, fa anio iha sady hiaraky amiko agny paradisa.''44Sady ora fahenina teo ho eo tamy zay, sady gny aiziky avy nandrakotsy gny tany manontolo hatraminy gny ora fahasivy 45lafa niha maiziky gny hazavany gny masoandro. Avy eo gny lambany gny tempoly sady nizara avy teo afovoany.46Nihiaky taminy gny feo mare, Jesosy nivola hoe: ''Ray o, eo an-tananao ro ametrahako gny fagnahiko.'' 47Lafa avy nivola zay, sady maty I. Lafa hitany lay kapiteny gny raha niseho, sady nagnome voninahitsy an'Andrianagnahary I, nivola hoe: ''Azo antoky tokoa fa olo-marina toy johary toy.''48Lafa hitandreo vahoaky iaby zay niara-avy ho vavolombelo nanatri-maso reo raha niseho reo, sady nipoly nitera-tratra I reo. 49Fa reo iaby zay nahay azy, sy reo ampela zay nanaraky Azy avy agny Galilia, sady nitsanga teny alavidavitsy, nijery zay raha zay.50Sady ingo, nisy johary raiky heky hoe Josefa, zay mpikambana tao aminy gny Synedriona. Olo soa sady marina I. 51Io johary io sady naneky gny fanapahan-kevitsy gny Synedriona sy gny asandreo. Avy agny aminy gny tananany Jodia tagny Armatia I; sady I nikatsaky gny fanjakan'Andrianagnahary .52Io johary io, lafa namonjy an'i Pilato, dia nangataky gny fatin'i Jesosy. 53Nalainy nijotso zay, norakofany hariry maliniky, sady napetraky tao agnaty fasana raiky zay novakiany taminy gny vatolampy, zay tsy mbola nisy olo nalevy mihitsy.54Androny fiomana tamy zay, sady mbola nazava raty gny Sabata. 55Reo ampela, zay niaraky tamin'i Jesosy niala tao Galilia, sady nanaraky avy ao afarany sady nahita gny fasa sy gny fomba nametrahany gny fatiny. 56Nipoly I reo, sady nanomana raha magnintsy sady nitsahatsy I reo araky gny didy.
Chapter 24

1Vo maraindray taminy gnandro voalohany gny herinandro, dia nandeha aminy gny fasandreo, nanday reo raha magnintsy zay nokarakarandreo. 2Hitandreo nikodia lavitsy gny fasa lay vato. 3Nilitsy tao I reo, nefa tsy nahajery gny vato gny tompo Jesosy.4Sady, laha mbo sahiran-tsay momba zay I reo, tampoky teo, dia nisy johary roa nanao fitafia mamirapiratsy nitsanga teo agnilandreo. 5Sady lafa femo tahotsy reo ampela dia niankohoky taminy gny tany, nivola tamindreo ampela I reo hoe: ''Nahoa nareo ro mila gny velo atoy aminy gny maty?6Tsy ato I, fa ela natsanga ! Tadidio gny nivola anareo fony I mbo tagny Galilia, 7 nagnambara fa gny Gnanak'Olo dia tsy maintsy hatolotsy ho eo an-tagnany gn'olo mpanota ka hofantsihany eo aminy gny hazo fijalia, sady amy gny andro fahatelo dia hitsanga indray.''8Reo ampela dia nahatiaro reo safany, 9ka nipoly avy tagny aminy gny fasa sady nivola zay raha iaby zay tamindreo raiky ambiny gny folo sy gny ambiny iaby. 10Sady Mary Magdalena, Johana, Mary renin'i Jakoba, voho reo ampela hafa niaraky taminy dia nitatitsy zay raha zay tamindreo apostoly .11Fa zay hafatsy zay dia toy gny tsy nisy dikany tamindreo Apostoly, ka tsy nino reo ampela I reo. 12Kanefa nitsanga Petera, sady nihazakazaky nandeha aminy gny fasa, sady niondriky sy nijery tao, sady nahajery reo lambam-paty nitoka. Sady Petera noly tagny an-tragnony, nangnontany tena gny aminy raha niseho.13Ingo, gny roa tamindreo nandeha tamin'io andro io ho agny aminy tana atao hoe Emaosy, zay enimpolo stadio miala any gny Jerosalema. 14I reo dia nifampiresaky momba reo raha iaby zay niseho.15Sady, laha niara-nisafa sy niara-nametsa-panontania I reo, sady namonjy sy nandeha niaraky tamindreo Jesosy. 16Fa gny masondreo dia nosakanany mba tsy hahay Azy.17Jesosy nivola tamindreo hoe: ''Ino ro resakinareo roa etoy am-pandehanany?" Sady nijano I reo voho nalahelo endriky. 18Gny raiky tamindreo, kehy hoe Kleopasy, namaly Azy hoe: ''Iha raiky va ro olo tao Jerosalema tsy nahay reo raha niseho tagny tamy zay andro zay?19Jesosy nivola tamindreo hoe: ''Raha ino?'' I reo namaly azy hoe: ''Reo raha mikasiky an'i Jesosy lay Nazarena, zay mpaminany, nahery tamy gny asa sy gny teny teo anatrehan'Andrianagnahary sy gny olo iaby, 20voho gny fomba nanolorandreo lohany gny mpisorona sy reo mpanampaky Azy mba ho meloha ho faty sy gny nanomboany Azy teo amy gny hazofijaliany.21Kanefa zahay nanantena fa I ro lay hanafaky an'Israely. Eka, sady ankoatsy zay iaby zay, telo andro androany zao ro niseho zay raha zay.22Nefa koa, gny ampela sasany taminy gny namany dia nahatseriky anay, zay tagny aminy fasa vo maraindray. 23Lafa tsy nahajery gny vatany I reo, sady tamy, nivola fa I reo koa sady nahajery fahita anjely zay nivola fa velo I. 24Gny johary sasany zay niaraky taminay sady nandeha tagny aminy gny fasa, sady nahajery zay araky zay voalazandreo ampela . Saingy tsy nahajery azy I reo.''25Jesosy nivola tamindreo hoe: ''Ry johary adala sy votsa saina vo mino reo iaby voalazany gny mpaminany! 26Moa va tsy nilainy ho an'i Kristy gny nijaly taminy regny raha regny, ka hilitsy agny aminy gny voninahiny?'' 27Sady nanomboky tamin'i Mosesy ka hatrandreo mpaminany iaby, sady nadikan'i Jesosy tamindreo ao aminy gny Soratsy masina gny momba gny tenany.28Nony nanakaiky lay tana zay nalehany I reo, sady naneho fihetsiky toy gny hoe handeha lavidavitsy Jesosy. 29Fa nanery Azy I reo, nivola hoe: ''Mijano eto aminay, fa ela ho hariva zao sady ela hifarany gny andro.'' Ka nilitsy mba hijano niaraky tamindreo Jesosy.30Sady, lafa nipetraky mba hiaraky hihina tamindreo, sady naka gny mofo, nisaotsy zay, sy namaky zay, sady nagnome zay azy reo. 31Avy eo nisokatry gny masondreo, ka nahay Azy, sady nanjavo teo imasondreo I. 32I reo nifampiteny hoe: ''Moa va gny fontsika tsy niredareda tao anatintsika, lafa niteny tamintsika teny an-dala I, laha nanokatsy sy Soratsy Masina tamintsika I?''33Nitsanga I reo tamin'io fotoa io, ka nipoly tagny Jerosalema. Nahajery reo raiky aminy folo niara-nivory I reo, sy reo zay niaraky tamindreo, 34Nivola hoe: ''Gny tompo dia nitsanga tokoa, sady niseho tamin'i Simona.'' 35Koa nambarandreo zay raha niseho teny an-dala, sy gny fomba nisehoan'i Jesosy tamindreo taminy fanapahany lay mofo.36Laha nivola raha zay I reo, dia nijoro teo agnivondreo Jesosy tegnany, sady nivola tamindreo hoe: ''Fiadana anie ho anareo.'' 37Saingy taitsy sy raiki-tahotsy I reo, sady nihevitsy fa nahajery fanahy.38Jesosy nivola tamindreo hoe: ''Magnino nareo ro matahotsy? Magnino ro misy fagnontania ao am-ponareo? 39Jereo gny tagnako sy gny tombokiko, fa zaho vatako toy. Kasiho zaho ka jereo. Fa gny fanahy tsy mana nofo sy taola, araky gny ahitanareo Ahy hoe mana.'' 40Lafa nivola zay I, sady nasehony tamindreo reo gny tanany sy gny tombokiny.41Mbo tsy nino zay I reo noho gny hafaliany, sady tseriky I reo. Jesosy nivola azy reo hoe: ''Mana raha hohaniny va nareo?" 42Nomendreo fia voatono I, 43ka nalainy zay nohaniny teo agnilandreo.44I nivola tamindreo hoe: "Taminy zaho niaraky taminareo, sady nivola taminareo fa zay iaby voasoratsy tao aminy gny lalàn'i Mosesy sy reo mpaminany ndraiky reo Salamo voho tsy maintsy ho tanteraky.''45Sady nosokafiny gny saindreo, mba hazoandreo gny soratsy masina. 46Nivola azy reo I hoe: ''Zao ro voasoratsy, fa lay kristy sady hijaly, sady hitsanga amin'gny maty draiky amy gny andro fahatelo. 47Fibebaha sy famelan-keloky ro tokony ho toriany amin'gny agnarany agny amin'gny firenena iaby, manomboky ao Jerosalema.48Nareo ro vavolombelony regny raha regny. 49Ingo, halefako aminareo zay nampanatenainy gny Babako. Kanefa mitoera ao an-tana mandra-pitafianareo gny hery avy agny agnabo.''50Sady Jesosy nitariky azy reo mandra-pahatongandreo tagny Betania. Nasandrany gny tanany, sady notahiny I reo. 51Sady lafa nitso-drano azy reo I, dia nandao azy reo I sady lasa nakariny tagny an-dagnitsy.52Sady nidera azy reo, sady nipoly tagny Jerosalema taminy gny fifaliany bevata. 53Nitohy nandeha amin'gny tempoly I reo, nankalaza an'Andrianagnahary

Romans

Chapter 1

1Paoly,mpanompon'i Jesosy Kristy ro nikehy ho apostoly,sady voakaiky ho agnaty gny hitory gny filazantsaran-Dragnahary.2 Io lehy filazantsara zay fa nivolagny taminareo nifampagnatenay mialoha taminy fagnomezan-dalan-dreo mpaminany tao amy Soratry Masina.3 Ze mikasiky gny gnanaky lahy, teraky baka amy taranak'i Davida araky gny nofo.4Tamy fitsanga tamy fahafatesa,de vombara ho gnanaky maherin-Dragnahary tamy herigny fagnahiny fahamasina I_ sady Jesosy Kristy Tompontsika. 5Tamy alala gny nazahoantsika fahasoava sy gny maha apostoly,amy fankasitraha gny finoany amigny firenena iaby,voho gny Agnarany. 6Aminy firenena reo,nareo avao ro voakaiky ho gnan'i Jesosy Kristy.7Toy taratasy toy ho gnanareo iaby a Roma ao,ze malalan-Dragnahary,ze voakaiky ho olo-masy. Ho aminareo gny fahasoava sy fiadana baka amy Dragnahary babantsika sy Jesosy Kristy Tompo.8Voalohany,isaorako Dragnahariko amy gn'alalan'i Jesosy Kristy voho gny aminareo iaby,fotony gny finoanareo de fa nivolagny manerany zao tontolo zao.9 Fa Dragnahary ro vavolombeloko, zay tompoiko amy fagnahy amy filazantsara gny gnanakiny,fa tsy mijano misafa aminareo Aminy Aho.10 Mangataky isanandro aho amigny vavaky ataoko gny mba hahatafita anareo amy fomba iaby zao laha gny sitrapon-Dragnahary mba ho avy aminareo.11Fe Aho magniry gny ahita anareo,mba ahafahako magnome fagnomezam-pagnahy sasan-tsasany ho anareo,mba hampahery anareo. 12Zay,magniry gny mba hifankaherezantsika ampivoantsika,amy alalagny finoa gny tsiraikiraiky iaby,gn'anareo sy gn'Ahy.13Henaniky zao tsy teako nareo tsy hahay, ry rahalahy,hoe matetiky Aho ro mana fikasa hamonjy anareo, ( nefa Aho voasaka henaniky zao), mba hahazoa vokatry soa aminareo eo,manahaky gny fa nazahoako gny ambiny jentilisa reo. 14Zaho de mampitrosa any Grika sy vahiny reo,amy hendry sy adala.15 Noho zay,Gnamiko,de mazoto avao Aho hitory gny filazantsara ho anareo a Roma agny.16Fa Zaho tsy megnatsy gny amy filazantsara,fa zay ro herin-Dragnahary ho famonjea rozy aby ze mino, ho gn'any Jiosy aloha bakeo ho gn'any Grika. 17Fa amizay ro agnehoa gny fahamarigna Dragnahary baka amy finoa ho amy finoa,fotony voasoratry hoe: "Gny marigna amigny finoa de ho velo".18Fa gny fahasiahan-Dragnahary de nampijerea baka andagnitry manohitry gny haratiam-pagnahy sy gny tsy fahamarigna amign'alala gny tsy fahamarigna.19 Zay tokoa hahaiza gny momban-Dragnahary ho jerigny maso nareo. Fa nohazavain-Dragnahary nareo.20Fa ze soraky tsy jerigny maso,ze hery tsy ahita fahataperany amy maha Zagnahary Azy, de Jery nazava soa,nanomboky tamy fagnamboara an'zao tontolo zao de tamindreo gny raha noforogniny. Noho zay de tsy mana fialan-tsiny reo. 21Zao fotony , na de fa nahay gny momban-Dragnahary aza nareo,de tsy magnome vogninahitry amy maha Zagnahary Azy, na de nisaotry Azy. Fe,lasa adala tantsainy tao reo,sy nihamaiziky gny fo tsy mahay raha ndreo.22Nareo fa nivola anadreo ho hendry,nefa lasa niadala. 23Gny voninahin-Dragnahary tsy mora lona de natakalonareo sarin,olombelo mora lo. Voro,biby mana-tomboky efatry,sy reo iaby mikisaky.24Laha izay de natolotri-NDragnahary ho amy filany gny fondreo ho amy fahalotoa reo,mba afa-boninahitry amindreo avao gny vatandreo.25 Reo ro nagnakalo gny fahamarignan-Dragnahary tamy vandy, ka ze midera sy magnompo gny raha voahary fa tsy gnazy nahary, zay deray mandrakizay. Amena.26Laha izay,natolotrin-Dragnahary ho amy filan-dratsy mamoa faly reo, fa ampela reo nanakalo fifandraisa voajanahary tamindreo tsy voajanahary.27 Manahaky anizao,johary reo nagnrnga gny fifandraisandreo voajangnahary miaraky amign'ampela ka mampirehitry gny fila ara-bata hoany i samy i. Reo johary nanao fihetsiky mahamegnatsy miaraky amy johary sy nandramby tamindreo sazy ze mendriky andreo voho gny fahavetavetan-dreo.28Fotony tsy nagneky gny hanagna an-Dragnahary ao amign'ny fieritreretan-dreo,de nomeny say tsy mendriky andreo,mba hanaovan-dreo raha tsy mora.29Reo la nifeno gny tsy fahamarigna,faharatia,fagniria olo ,sy lolom-po iaby io. Reo nifeno fialogna,famonoa,fifandisa, vandysy fikasa raty. 30Reo mpifosa, mpagnendrikendriky, sy mpalay an-Dragnahary. Reo mahery loha,miavoavognavo sy mirehareha.Reo mpamory raha raty avao, reo tsy magnaraky safan-dRay aman-dReny.31 Reo tsy mana fahalala; Reo tsy azo itokia, tsy misy fitiava voajagnahary sady tsy mandefitry.32Hainareo gny lalan-Dragnahary, fa reo ze manao raha manahaky anizay de mendriky gny fahafatesa. Fa tsy raha reo avao ro ataony, fa nagneky reo hafa manao aniregny avao.
Chapter 2

1Nohon'izay tsy mana fialantsiny iha, ry olo, ho anao ze mitsara, fa gny raha itsaranao gny hafa ro hagnameloha anao gny tegnanao fa iha mitsara io mbo manao anio avao koa.2 Nefa haintsika fa gny fitsaran-Dragnahary araky gny marina lafa lavo amindreo manao manaky anizay.3Diniho ry olo, nareo ze mitsara andreo manao gny raha manahaky anireo, ndre manao raha manahaky aniregny koa aza iha. Hipotaky gny fitsaran-Dragnahary va iha? 4Sa hamorainao gny hareany hasoam-pagnahiny gny fanderany voho gny faharetany? Tsy hainao fa hasoam-pagnahiny ro natao hitariky anao aminy fibebaha?5Ka izay ro hoamin'ny habeny hatanjaha sy gny tsy fibebahany gny fonareo ro amorianareo heloky hogny tegnanareo aminy andro fahatezera, izay ro andro faharoa gny fitsaran-Dragnahary. 6Hamaly gny olo iaby aminy fatsy mindry amin'ireo natao I: 7Hagnome araky gny fahareta, gny asa soa mila dera, voninahitry gny tsy fahafatesa, fiaigna mandrakizay I.8Fa hoandreo zay mikara hoany gny tegnany, ze tsy magneky gny marina fa magneky gny tsy fahamarigna, hoavy gny heloky sy gny siaky.9 Dragnahary hinday fahoria voho fijalia amigny fagnahin'olo iaby ze nanao raty amin'ny Jiosy taloha,voho amin'ny Grika koa.10Fa dera, no laza voho fiadagna rohoavya amindreo zay manao gny soa amin'ny Jiosy taloha voho amin'ny Grika avao koa. 11Fa tsy misy fiangara gny miaraky amin-Dragnahary. 12Fa ze iaby nagnota tsy nana gny lily ro ho trobo tsy mana lily avao koa, ze iaby nagnota niarajy taminy fagnaja gny lily ro ho tsaray araky gny lily.13Fa tsy reo mahakasa gny lily ro marina agnatrehan-Dragnahary eo, fa reo ze mampianatsy gny lily ro ho amarigny.14 Fa reo hako ze tsy mana lily, ko lafa manao raha mahakasiky gny lily arakiny voajanahary, I avao ro lily hoany tegnany ndre tsy mana lily aza reo.15Amizayro anoroandreo fa gny asa angatahiny lily na voasoratsy ampondreo ao.Gny vetsivetsin-dreo avao koa ro vavolombelo hoandreo,ka gny vetsivetsindreo manoka romagnameloky na miaro andreo amitegnandreo. 16Ary amin-Dragnahary koa. Izay ro hipoitsy aminy gnandro hitsaran-Dragnahary andreo tsiambaratelogn'olo iaby araky gny filazantsarako aminy lilin'i Jesosy Kristy17Ka laha Jiosy ro hikaikaiky gny tegna tegnanao ro mianky aminy lily sy mirehareha amin-Dragnaharyao, 18Ary mahalala gny sitrapony sy mamantatsy gny raha soa mare, fotony nampianary taminy lily iha;19 Ka laha resilahatsy iha fa gny tegnanareo ro mpitariky gny jamba,hazava hoandreo gnao aminy maiziky, 20 Mpagnitsy gny adala, mpampianatry gny zaza maligniky, ka anagnanao ao aminy lily gny sorakiny fahaiza sy gny hato ka manao ahoa araky gny vokany aminy fomba hiaigna?21Ka hoanao ze mpianatsy gny sasany tsy mpianatsy gny tegnanao va iha? Anao ze mivola manohitry gny halatsy,mangalatsy va iha? 22Iha ze mivola fa tsy tokony hivengivengy,nivengivengy va iha? Iha malay gny sampy,mandrombaky fiangona va iha?23Iha ze falifaly mirehareha ao amy lily, nangalabaka an-Dragnahary va iha aminy fandikanao gny lily io?24 Fa gny agnaran-Dragnahary fa afa-baraka amindreo hako voho iha avao araky gny ze voasoratsy.Fa mahazo tombony amy famora vatany nareo laha magneky gny lily, fa laha mandika gny lily nareo manjary tsy voafora ndre ta fa voafora aza nareo. Araky zay, laha olo tsy voafora ro mitao ze takiany gny lily, tsy hatao agnaty voafora va i ndre tsy voafora aza? Ka tsy helohiny raiky ze tsy nifora voajagnahary araky araky nareo, laha i ro mitandry gny lily? Izay ro fotony mana gny lily voasoratsy gny lily? Izay ro fotony mana gny lily voasoratsy vo gny famoranareo kanefa mbo mandika gny lily!28Fa I tsy Jiosy aminy fijery ambaliky avao, ndre aminy famora ze fery aminy endriky ambaliky nofotsy avao. 29Fa I ro Jiosy agnatiny, fa gny famora ze gnany fo aminy fagnahy fa tsy aminy soratsy. Ka gny fidera olo manahaky an'zay tsy baka amin'olo fa baka amin-Dragnahary.
Chapter 3

1Ka ino moa zany gny tombotsoa anagnan'ny Jiosy? De ino koa gny tombotsoa gny famora? 2Soa iaby zao lafa kila fomba. Voalohany,Jiosy reo nagnakina gny fagnambara baka amin-Dragnahary.3Ka manao akory laha tsy manam-pinoa gny Jiosy sasany?Gny tsy finoan-dreo va ro hahavy gny fahatokisan-Dragnahary tsy ho tanteraky? 4Tsy hisy mihintsy zay. Fe,engao fa marina Zagnahary,ndre mpavandy aza gn'olo tsiraikiraiky. Araky gny voasoratry hoe: "Ho atoro aminy safanareo fa olo marina nareo sady atoro lafa avy aminy fitsara nareo".5Fa laha manahaky gny tsy fahamarinantsika,tsy fagnehoa gny fahamarian-Dragnahary,ino gny raha azontsika volagny? Afaky mivola va tsika fa tsy marina zagnahary aminy fagnaboahany gny siakiny amintsika,sa tsy zay? (mampiasa lahategnin'ny olombelo aho). 6Fe tsy hisy mihintsy anie zay! Fotony aminy fomba manao akory moa ro hitsaran-Dragnahary any tontolo iaby zao.7Fa laha toa gny fahamarignan-Dragnahary tsy magnome fidera maro ho azy noho gny vandiko,de nagnino moa no mbo tsy tsaray ho mpanota? 8Nagnino tsy mivola,araky gny tatitry diso ze nivolagny fa tenenintsika sady araky gny famafign'olo sasany fa nivolanintsika hoe: "Engao zahay hanao raty,mba hiavaiagniny soa?"Rrarimy gny fitsara atao amindreo.9Ka ino zany? Magnome rariny gny safantsika va tsika? Tsy zay mihintsy.Fa tsika fa naganameloky gny Jiosy sy gny Grika, izy iaby reo,ho mpanota. 10Raha zay de arakiny voasoratry hoe: " Tsy misy olo marina ndre raiky".11Tsy misy ndre raiky nahafantatry.tsy misy koa ndre raiky nila an-Dragnahary.12 Roso nihataky reo iaby.Tsy nisy nila an-dreo iaby. Tsy misy mba manao gny soa,tsy misy,ndre raiky avao.13Gny dendan-dreo de fasa misokatry.Gny lelan-dreo mamaitaky. Gny poiziny bibilava reo ambany somin-dreo ao. 14Gny vavan-dreo feno hazo sy lolom-po.15Gny tombokin-dreo havagna aminy fandatsahan-dra. 16Gny fanimba voho fijalia amin-lalandreo egny. 17Regny olo regny tsy nahay gny lalagn'ny fiadana. 18Tsy mba misy fahavozoa an-Dragnahary nagnoloa gny mason-dreo".19Ananiky zao de haintsika fa ndre ino ndre ino volagnin'ny lily,miantefa amign'azy abany lily. Zay de mba hahavy gny vavan'ny tsirairaiky hamgina,mba hahazo valigny baka amin-Dragnahary zao tontolo zao. 20Zao fotny tsy hisy nofo hohamarigny amignasa gny lily amy masony eo. Aminy alalan'ny lily ro hiaviagmin'ny fahaiza gny fahota.21Fa amizao de nampahafantatry koa gny fahamarignan-Dragnahary tsy aminy lily. Noporofogny lily sy mpaminany reo. 22Fe zay,gny fahamarignan-DZagnahary aminy alalan'i Jesosy Kristy hoan'izay mino iaby fotony tsy misy gny fagnavaha.23Fa nanota gny olo iaby ka tsy mana gny vogninahitrin-Dragnahary, 24Hamariny maimaimpoa aminy fahasoany amin'ny alalany fagnavota ao amin'i Kristy Jesosy.25Zagnahary nagnome an'i Kristy ho fanatitry aminy alalan'ny finoa gny rany. Nameany ho porofon'ny fahamarignany Kristy, nohony tsy fanenteany gn'ota talohatany. 26Amignin'ny faharetany . Niseho raha iaby zao ho fampisehoa gny fahamarignany amin'izao fotoa hananiky zao.Zay mba hahafahany magnaporofo fa marina I mba hanehoany koa fa I de magnamary gny raha iaby noho gny finoa an'i Jesoa.27Aia moa zao gny firehareha? Voafafa zao. Fa ino moa gny gnantony? Amign'asa va? Tsia,noho gny finoa . 28Manampakevitry tsika fa gny olo raiky de ho hamarigny araky gny finoa tsy misy asan/ny lily.29Sa Zagnahary gny Jiosy raiky avao va Zagnahary? Tsy Zagnahary gny Jentilisa reo koa va I? Eka,gnan'ny Jentilisa koa. 30Laha, raiky tokoa Zagnahary de ho hamarigniny aminy finoa gny voafora,de gnazy tsy voafora reo aminy alalagm'ny finoa.31Fantantsika aminy alalagn'ny finoa va zany gny lily? tsy hisy mihintsy zay? Fe koa ,magneky gny lily tsika .
Chapter 4

1Ino ro ho volagnintsika fa hitan'i Abrahama ,baban-tsika tagny aloha araky gny nofo? 2Fa laha nohamariny gny tamy gny asany Abrahama,tsy nisy gny antony hirehareha i,kanefa tsy eo anilan-Dragnahary. 3Fa ino ro nambara gny Soratry Masina ?"Abrahama nino sady nieritreritry gny fahamarinan-Dragnahary ."4Ho agny zay miasa,gny karamany tsy ho eritreretiny fahasoava,fa heveriny ho manahaky gny trosa. 5Fa ho agn'izay tsy mana gnasa nefa mino an-Dragnahary dia mieritreritry gny finoany.6Davida nitsipirano hoan'olo tsy miasa izay eritreretin-Dzanahary ho marina. 7Hoy i hoe:"Sambatry ireo olo zay voavela ny helokigny ,sy ireo zay voatakogny fahotany . 8Sambatry reo zay tsy hieritreretany Tompo heloky."9Amin-dreo voatapaky avao va no hahazo gny tso-drano sa reo tsy voatapaky koa?Ka hoy tsika hoe :"Ny finoa dia nieritreretin'i Abrahama ho fahamarinana."10 Ka manao akory gny nagnisan-dreo azy? Tamy Abrahama fa voatapaky sa tamy i mbo tsy voatapaky?Tsy tamin'i fa vita tapaky fa tamin'i mbo tsy vita tapaky.11Abrahama ro nandramby famatara gny joma(tapakanaky). Zay ro mariky sny finoa zay fa gnanany na mbo tsy vita tapaky i.Zay fahamantara zay ro manambara fa baban'ny mpino iaby i na koa reo zay tsy mbo voatapaky.Midika izay fa ny fahamarina dia anisan'ny hoan-dreo.12 Nidika zay fa Abrahama nanjary baban'olo zay gnanara dia ny finoan'i Abrahana sy zay olo vita tapaky.Gny finoan'Abrahama babantsika tamy i mbo tsy voatapaky.13Fa ny fampagnatena tamy i Abrahama sy ireo taranakiny dia ny fandovana izao raha iaby zao dia azo avy amin'alalan'ny lily fa baka amin'ny fahamarinan'ny fignoa. 14Fa raha reo zay magnary ny lily ro mpandova,tsy hisy ny finoa ,ary ho tsinotsino ny fampanantegna. 15Satria ny didy manday agny amy gny siaky,any amy gny tany tsy misy lily dia tsy misy koa gny fandikan-dala.16Miseho amin'ny finoa gny antony,mba hipetrahan'ny fampanantegna baka amin'ny fahasoava mba ho azo antoky amin'ny taranak'i Abrahama iaby tsy ho andreo za ambeny ny lily avao faho andreo zay mizara ny fianoan'i Abrahama avao koa,Babantsika iaby i, 17araky ny voasoratry hoe:" Nataokok ho baban'ny firenena maro iha." Talohany Nazy natokisany Abrahama,ro gnanomeza fiaina nazy maty sy mikaiky nazy raha mbo tsy misy mba hisy.18Na teo aza reo raha-nitranga ambalikany dia natoky tanteraky an-Dranahary i Abdrahama amy ny ho avy.Ka lasa baban-ny firenena maro i,arak'izayfa voasafa hoe:" Hgnahaky an'izay ny tranakinao ." 19Tsy nalemy tamy ny finoa i.Hain'i Abrahama fa ho afaky hana gnanaky koa i(satria fa tamin'ny zato tao teo i).Gnanenky koa i fa trokin'i Saraha fa tsy afaky hivesatry koa.20Nohon'ny fampananten-Dranahary ,dia tsy nisalasala tami'ny fignoany i bakeo nidera an-Dranahary. 21Resy lahatry tanteraky i fa zay nampanantenan-Dranahary ro afaky tanterahiny iaby. 22Lafa zay dia nisany ho azy ny fahamarinana.23Ka tsy nosoraty ho tombotsoa raiky avao zay fa nisay ho azy. 24Nosoraty ho antsika iaby zay ho andreo zay anisany zay.Tsika zay mino Azy nanandratsy an'i Jesosy Tompontsika tamy maty. 25I raiky avao ro natoltry nohon'ny fahotantsika ary nantsanga mba hanamaria antsika.
Chapter 5

1Fotony nohamariny tamin'ny finoa tsika, laha vatany mana fiadana miaraky amin'Andiagnanahary amin'ny anaran'i Jesosy Kristy tompontika. 2Baka amin'ny anarany avao koa ro hananantsika lala amin'ny finoha mandeha amin'ny fahasoava itsanganantsika io.3Tsy amin'izay avao fa tsika koa mifaly amin'ny fijaliantsika. Haintsika fa gny fahoria ro mampisy fahareta. 4Gny fahoria miteraky fanaraha safa, ka gny fanarahan-tsafa miteraky fahatokia amin'ny manaraky.5 Zay fahatokisa zay, tsy mba mandiso fanatena, gny fitiavan'Andriagnanahary fa nilitsy am-pontsika baka tamin'ny Fanahy Masy nameha antsika.6Laha vatany mbo nalemy tsika, maty tamin'ny fotoa naham-pety Azy ho an'ny raty fanahy Kristy. 7Fa sarotry ho an'olo raiky gny ho maty ho an'olo marina. Fa mety hisy angamba olo raiky hasaky ho maty ho an'olo raiky soa.8Zagnahary nanoro gny fitiavany ho antsika, fotony mbo mpanota tsika, laha nimaty hoa antsika Kristy. 9Lilatrin'izay aza, henaniky zao, laha nohamariny tamin'ny liony tsika, laha ho vonjea amin'izay amin'ny sihakin-jagnahary.10Fa laha mbo tsy nifankahazo tsika, nilongo amin-Jagnary tamin'ny fahafatesan'ny gnanakiny, laha mbo mihoatry gny zay, laha baka nilongo taminy tsika, laha ho avotry baka amin'ny ainy tsika. 11Tsy ho zay avao koa, fa tsika koa mbo mifaly amin-Jagnahary aobaka amin'ny Tompontsika Jesosy Kristy nahazoantsika gny fihavana enaniky zao.12Baka amin'izay zany, manahaka gny niliran'ny fahota tamin'olo raiky tan-tany teto ro iliran'ny fahafatesa baka tamin'ny fahota. Gny fahafatesa bakeo nahazo olo iaby, fotony mpanota iaby gny olo.13 Laha mbo tsy nisy gny lily, mbo tan-tany teo gny fahota, fa tsisy fahota isahy laha tsisy gny lily.14Nefa na zay aza, gny fahafatesa nanjaka nanomboky tamin'n i Adama hatramin'i Mosesy, na tamin-dreo zay tsy nanota mindry ny tsy fanarahan'i Adama, fagnambara gny ho avy. 15Naha teo aza zay, gny fagnomeza tsy manahaka gny fahadisoa. Fa laha tamin'ny fadisoa gny olo raiky ro nahafaty gny maro, lilatry gny zay ro natao gny fahasoavan-Jagnahary sy fanomeza baka amin'ny Olo Raiky iny, Jesosy Kristy, nameha ho an'olo maro.16Fa gny fagnomeza, tsy mitovy gny vokatry baka amin'y raiky manota. Fa amin'ny ilan'ny raiky, avy gny fitsara ho fanasazia nataon'olo raiky. Amin'ilany raiky hafa koa, gny fagnomeza miafara amin'ny raha marina, niavy tafara gny fahadisoa maro.17 Fa laha, tamin'ny fahadisoa gny raiky, ro nampisy mare gny fafatesa amin'ny raiky, ka mihoatry lavitrin'izay gny hanjaka gny reo mandramby gny fasoava bevata sy fagnomeza gny fahamarina baka amin'ny fiainan'ny raiky iny, i Jesosy Kristy zay.18Baka amin'izay zany, tokony tamin'ny lily gny fahasoava raiky ro niavian'olo ho amin'ny fagnameloa, amin'ny lily na gny fahamaria gny raiky koa ro hiavia gny fahamariha gny fiaina ho an'olo iaby. 19Fa tokony baka amin'ny tsy fankasitraha gny olo raiky ro maha mpanota gny olo iaby, ka amin'ny lily gny fanarahan-tsafa gny raiky avao koa ro hiavia gny maro ho marina.20Laha niavy tao gny lily, mba habevata gny fahadisoa. Nefa, laha bevata gny fahota, lasa bevata koa gny fahasoava. 21Nisy zay mba, ho nanahaka gny nisian'ny fahota tamin'ny fahafatesa, hisy manahaka gny izay koa gny fahasoava baka amin'ny fahamarina ho amin'ny fiaina mandrakizay baka amy Jesosy kristy Tompotsika.
Chapter 6

1Ino ro hambarantsika? Tokony hanohy amy gny fahota va tsika mba hitomboa gny fahasoava? 2Tsy hisy mihintsy anie zao. Tsika ze maty amy gny ota, amy gny fomba manao akory gny mbo hiainantsika amy zao?3 Tsy hainareo va fa reo ze natao batisa tao amin'i Kristy Jesosy ro natao batisa tao amy gny fahafatesa?4Koa, voalevy, niaraky taminy tagny gny alala gny batisa ho amy gny fahafatesan-tsika. Niseho zay mba hanahaky gny nanangana an'i Kristy tamy gny maty, tamy voninahitsy gny Ray , ro andehanantsika amy gny fiaignam-baovao avao koa. 5Fa laha mikamba Aminy amy gny endriky gny fahafatesany tsika, voho hikamba amy gny fitsanganany avao koa6Haintsika zay, fa gny vatan-tsika taloha ro nofantsihy niaraky taminy, mba hamoteha gny tena gny ota. Niseho zay mba ho andevozy gny ota koa tsika. 7I zay maty nambara fa marina sady afaky amy gny fahota.8Fa lafa maty niaraky tamin'i Kristy ntsika, sady mino fa hiara-belo Aminy avao koa.9 Tsika mahay fa nitsanga tamy gny maty Kristy, tsy maty koa I. Tsy nanjaka Aminy koa gny fahafatesa.10Fa laha gny momba gny fahafatesa, maty noho amy gny fahota I, maty indraiky avao ho any gnolo iaby I. Kanefa, gny fiaigna ze hainay ro iaignany ho an-Dragnahary. 11Mitovy amy zay, tsy maintsy mihevitsy gnainareo fa ny maty amy gny fahota koa nareo, fa velo ho an-Dragnahary ao amin'i Kristy jesosy.12Noho zay ka enga hanjaka ao amy gny gnainareo mety maty gny ota mba hagnarahanareo gny filan-draty. 13Ka atolotsy ho any gny fahota gny ratsam-batanareo, ho fitaova ampiasa amy gny tsy fahamarigna. Fa atolotsy ho an-Dragnahary gnainao, toy gny nitsanga tamy gny maty ze velo hananiky zao. Sady atolory ho an-Dragnahary gny ratsam-batanao mba fitaova ampiasay amy gny fahamarigna.14 Ka enga hanjaka aminareo gny ota. Fotony tsy ambany gny lily nareo, fa ambony gny fahasoava.15Ka ino? Tokony hanota va tsika, fotony tsy ambany gny lily, fa ambany gny ahasoava? Tsy hisy mihintsy anie zay. 16Tsy hainareo va fa gny raiky ze anoloranareo gnainareo ho mpanompo tokony hankatoavinareo? Marina zay ndre mpanompogny fahota ze mitariky agny amy fahafatesa nareo, ndre mpanompo gny ankatoava ze mitariky amy gny fahamarigna.17Fa isaora Ndragnahary! fotony fa mpanompo gny fahota nareo, kanefa nankato tao agnaty gny fonareo gny fomba fampianara ze namea anareo. 18Nahafa tamy gny ota nareo, natao mpanompo gny fahamarigna.19Movola manahaky gny olo zaho noho gny fahalaea gny nofonareo. Fotony vo nanolotsy gny ratsam-batanareo ho andevo gny fahalotoa voho gny raty nareo, manahaky zay koa zaho, atolory ho andevo gny fahamarigna ho amy gny fahamarigna gny ratsam-batanareo. 20Fa lafa nareo andevo gny ota, afaky tamy gny fahamarigna.21 Amy zao, ino ro vokatsy azonareo tamy raha ze mahamegnatsy anareo henaniky zao? Fotony gny vokatsy gny raha zay gny fahafatesa.22Henaniky zao lafa nafahy tamy gny ota nareo sady ho mpanompon-Dragnahary, ro mijinja gny fahamasigna. Gny vokatsy gny fiaigna mandrakizay.23 Fa tamby gny ota fahafatesa, fa gny fagnomezan-Dragnahary koa gny fiaigna mandrakizay ao amin'i Kristy jesosy Tompontsika.
Chapter 7

1Tsy haignareo,ry rahalahy (satria miresaki amign'olo mahay agny lily io zaho),fa gny lily mibaiko gny olo laha mbo velo?2Fa gny ampela,laha mbo velo gny valiny,mbo fehezigny lilim-panambaliagny,fa lafa maty valini igny,eo i vo tsy voafehy. 3Laha izay,laha mbo velo gny valiny,laha hoatry ka mandry amy johary hafa,zay vo kehy hoe mandrato i.Fa laha maty valiny,afaky amy lily io i,amy zay tsy ikehy hoe mandrato laha miaraky amy johary hafa.4Laha izay,ry rahalahiko,gnatao maty tamigny vatagn'i Kristy koa nareo.Natao zay mba hiaroanareo amy hafa,zay hoe,amign'I zay nitsanga tamy maty,mba ahafahatrika mamoa vihy ho an-Dzanahary.5 Fa tamintsika tamy gny nofo,reo fila gny fahota,gnazy nahetriky gny lily,la niasa tamy ratsantsika mba hamokatry vihy ho agny fahafatesa.6Fa amigny zao nafahy tamy lily tsika.Maty tamy namatotry antsika isika.Zay ro mba ahafahantsika manompo amy fanahy vao,fa tsy amy fiteraha gny soratry.7Ino zao ro ho volanintsika? Gny lily mihintsy va ro fahota?Tsara hisy mihitry zao.Tsara ho nahay ny fahota zaho,laha tsy tamy lily.Tsara ho nahay gny fitsiririta zaho laha tsy nivola ny lily hoe:"Ka mitsiriritsy." 8Fa nangala baha tamin'ny lily ny fahota ka nahav gny fitsiririta yabi amiko ato.Fa laha tsy misy gny lily,dia maty ny ota.9Taloha tany aho velo tsy gnisy gny lily,fa lafa niavy ny didy,velo ndraiky ny ota,ka maty zaho. 10Gny lily nazy tokony handay fiaina koa ro nivaliky ho fahafatesa ho ahy.11Fa gny fahota nahazo vahatry tamy lily ka namitaky ahy.Tamy lily ro namonoan ahy. 12Laha izay gny lily masina,ary ny lily ro masina,marina,sady soa.13Ka kaha izay nivaliky ho fahafatesa ho ahy va ny soa?Tsy hisy zao.Fa ny ota,mba hafahany hiseho ho fahota amy alala gny,ro nanday fahafatesa tan'amiko.Izay ro mba ho baka amy lily,gny fahota mety ho avy fahota tokoa.14 Haintsika fa gnany fanahy ny lily,fa zaho baka amy nofo.Fa navarotry ho ambaniny fandevozagn'ota zaho.15Fa ny raha tiako hatao,tsy raha azoko soa.Satria raha tiako hatao,tsy ataoko,fa raha halako,ro ataoko.16 Fa laha manao raha tsy tiako zaho,miharo hevitry amy lily fa soa gny lily.17Henaniky zao,tsara zaho koa ro manao azy,fa gny fahota velo amiko ato. 18Fa haiko fa amiko,nazy amy nofoko,la tsisy raha soa mivelo.Fa ny faniria gny soa ro ato amiko,fa tsy afaky manao ino zaho.19Fa ny so nazy tiako tsy ataoko,fa ny raty tsy tiako,ro nataoko. 20Fa laha manao nazy tiako atao zaho,de tsy zaho ro manao anizay,fa ny fahota miai amiko ato. Ka,zaho la nahita ny fitspiky amiko ato fa ta 21hanao ze raha soa zaho,fe ny raty avao ro amiko ato.22Lavariaky amy lilin-Dzanahary zaho amy gny fanahy maha olo. 23Nefa mahita fitsipiky raiky hafa zaho amy gny momba ahy.Raha io mifanaraky amy fitsipiky vaovao an-tssaiko ao.Mitazo ahy ho lavo gny fitsipiky gny fahota nazy amy vatako ao io.24Olo mijaly zaho!Ia ro hanafaky ahy amy toy vatam-pahafatesa toy?Isaora Ndzanahary baka amign'i Jesosy Kristy Tompontsika!25 Lafa izay,vatako toy lafa hanompo gny lilin-Dzanahary amy saiko.Fa na izay aza,manonmpo fahota avao zaho amy nofo.
Chapter 8

1Laha izay, tsy hisy fagnameloha koa hanany zao hoandreo ze amin'i Kristy Jesosy. 2Fa gny fitsipikiny fagnahiny Fiangona amy Jesosy Kristy ro nagnafaky ahy taminy fitsipikiny fahota sy gny fahafatesa.3Fe ze tsy afaky nataony lily nohony haleminy nofo, nataon-Dragnahary. Nalefany taminy sorakiny nofo feno fahota gny gnanakiny lahy toka mba ho fagnatitry gny ota, nagnameloky gny fahota amy nofo I.4 Nataony zay mba ho tanteraky ami-ntsika gny raha ilain'ny lily, tsika ze mandeha tsy arakigny nofo fa arakiny fagnahy.5 Reo ze miai arakigny nofo ro mifantoky aminy rahany nofo,fe reo ze velo arakigny fagnahy ro mifantoky aminy rahan'ny fagnahy.6Fotony gny fisaigna miory amy nofo ro fahafatesa, fa gny fisaigna miori amy fagnahy koa ro fiaigna sy fiadagna. 7Gny fisaigna miory amy nofo ro fandrafia agnatreham-Dragnahary, fa tsy mifagnaraky amy lalan-Dragnahary ro sady tsy hainy koa gny manao anizay. 8Reo ze amy nofo ro tsy afaky gny ho ankahasitrahan-Dragnahary.9kanefa, nareo tsy amy nofo fa amy fagnahy,laha marina fa miai aminareo gny fagnahin-Dragnahary. Fa laha misy olo tsy mana gny fagnahin'i Kristy, de tsy Azy I. 10Laha aminareo Kristy ,de maty nohony fahota gny vatany,fa gny fagnahiny de ho velo nohony fahamarigna.11Laha gny fagnahiny nananga an'i Jesosy tamy maty ro velo aminareo,I zay ro nananga an'i Kristy tamy maty no hagnome fiaina avao koa hoany gnainareo ze mety maty aminy alalany fagnahiny,ze velo aminareo ao.12Noho izay, ry rahalahy, mpitrosa tsika, fa tsy aminy nofo mba hiai araky gny nofo. 13Fa laha miai araky gny nofo nareo, ho maty,fa laha aminy fagnahy ze amonoanareo gny asany tegna , ho velo nareo.14Fa nanahaky andreo iaby voatarikiny fagnahin-Dragnahary, reo ro gnanakin-Dragnahary.15 Fe tsy nadramby gny fagnahiny fagnandevoza ndraiky nareo la navozo. Fe,nandramby gny fagnaganagnanaky nareo,ze hikeakeantsika hoe: "Aba, Ray ô!"16Gny fagnahy mihintsy ro vavolombelo amigny fagnahintsika fa gnanakin-Dragnahary tsika. 17Laha gnanaky tsika, mpandova avao koa, mpandova an-Dragnahary. Sy mpiray lova aminy Kristy tsika, laha tegna mijaly miaraky tokoa tsika, homeam-boninahitsy miaraky Aminy koa.18Ataoko fa fijalia amy fotoa zao, tsy mendriky ampitahay aminy voninhitry ze hatoro amitsika.19 Fa gny voahary iaby ze magnategna fatratsy, miamby gny fampisehoa any gnanakin-Dragnahary.20Fa gny voahary ro natao ho zavam-poa, tsy noho gny sitrapo manoka, fa nohony manao anizay. 21Zay de aminy toky nomea ao. Fa laha voahary miintsy ro alay amy fagnadevoza gny fahalova, ary handay aminy fahafa gny aminy voninahitry gny gnanakin-Dragnahary zay. 22Fa fahain-tsika fa gny voahary iaby ro miaraky misento voho miaraky miasa agnatiny fanaintaigna henany aza.23Tsy zay avao, fa ndre gny vatantsika aza,ze mana gny voaloham-bokatriny fagnahy_ na gny gnaintsika aza misento agnatintsika ao,miamby gny fananga antsika ho gnanaky, gny fagnavota gny gnaintsika.24 Fa tamizay toky zay ro namonjea amtsika. Fe ze atokisantsika fa hitranga ro mbo tsy hita,fa ia ro miamby am-patokia ze fa hitany?25 Fa laha matoky amizay mbo tsy hitantsika tsika, miamby an'izay am-pahareta.26Manahaky anizay avao, gny fagnahy aminy fahalementsika. Fa tsika tsy mahay ze vavaky tokony hataontsika,fa gny fagnahy mihintsy ro mifona hoantsika amy fisentoa tsy hay volagny.27 I ze mandiniky gny fo ro mahay gny hevitry gny fagnahy,fotony I ro mifona hoany mpino araky gny sitrapon-Dragnahary.28Haintsika fa hoandreo ze tia an-Dragnahary, ro miaraky ampiasay ho aminy soa iaby avao gny raha iaby, ([Fagnamariha: Laha tokony hoe" Miaraky ampiasay ho amy soa iaby gny raha iaby ," gny dikan-teny sasany taloha manao hoe: " Gny raha iaby ro miaraky miasa ho amy soa."]) ho gnandreo zay voakaky araky gny fandahara. 29Fotony reo ze hainy mialoha,ro tinondrony mialoha avao koa mba hitovy soraky aminy gnanakiny,mba ho lahimatoa agnivony rahalahy maro reo I. 30Reo ze nitondroy mialoha, ro nikehy avao koa. Reo ze nikinaikiny, ro nohamarigny avao koa. Reo ze nohamariny, ro nomeany voninahitry avao koa.31Ino araky ro tokony ho volagnintsika mikasiky an'ny raha reo? Laha mitahy antsika Zagnahary, ia ro mahatohitsy antsika? 32 I ze tsy niaro gny gnanakiny lahy toka fa nanolotry Azy ho gn'antsika iaby, akory ro tsy hagnomeza antsika maimaimpoa miaraky Aminy gny raha iaby avao koa?33Ia ro handay fiapanga hanohitsy olom-boafilin-Dragnahary reo? Zagnahary ro raiky magnamary anizay. 34Ia ro raiky hagnameloky? Kristy ro raiky ho maty ho antsika, sady mihoatsy an'izay, natsanga avao koa I. Manapaky miaraky amin-Dragnahary amy fitoeram-boninahitry eo I, ka I ro mifona ho antsika.35Ia ro hanaraky antsika amy fitiavan'i Kristy? Fahoria,sa fijalia,sa fagnenjeha, sa mosary,sa fitanjaha,sa loza ,sa sabatsy?36 Araky gny voasoratry hoe: " Noho Ia, voavono andro lava rahay. rinamby manahaky gny ondry ho vonoy rahay."37Agnatinzay raha iaby zay, mihoatry noho gny mpandresy zahay aminy alalany raiky tea anay.38 Fe resy lahatsy Aho fa na gny fahafatesa, na gny fiaigna, na reo anjely, na reo fanjaka, na reo raha anany zao, na raha ho avy, na reo hery,39 na gny ambony, na reo laliky, na zavaboary hafa, tsy hahasaraky antsika amy fitiavan-Dragnahary, zay amy Kristy Jesosy Tompontsika.
Chapter 9

1Mivola gny marigna amin'i Kristy zaho. Tsy mavandy aho, gny eritreritriko ro vavolombelo miaraky amiko amy gny fanahy Masina, 2amiko misy alahelo bevata sy fahoria tsy mitsahatsy am-poko ato.3Niafaky nagniry aho fe zaho naiko ro voahozo ka hiataky amign'i Kristy noho gny aminireo rahalahiko, reo gnazy firazagna raiky amiko, araky gny nofo. 4Isiraelita reo. Magna gny fanangana, gny voninahitsy, fankatoava, gny fanomeza lily, gny fidera an-Ndragnahary sy fampanantena. 5Gnazy reo ro gnazy raza nahavy an'i Kristy ho avy nofo, i ro Zagnahary agnambon'iaby. Amena.6Tsy foa gnazy nampanantenan-Ndragnahary. Tsy ze baka Isiraely ro tena i. 7Na hoe taranakin'i Abrahama iaby reo, ro tena anakiny. Fa "Amignalalan'i Isaka ro hikeo gny taranakinao"8Zany hoe, gny gnanakin'ny nofo, tsy gnanakin-Ndragnahary. Fa gnazy gnanakin'ny fampanantena ro rambesy ho taranaky. 9Manahaky an'izao gny tegnin'ny fampanantena : "Ho avy aho amign'izay fotoa zay ka homea anaky lahy kahia hoe Saraha.10Tsy zay avao, fa eo koa Rebeka hana gnanaky amign'ny lelahy raiky kahia, Isaka Babantsika. 11Mbo tsy teraky aby zaza reo sady mbo tsy nanao raha soa na raty, mba ho tanteraky gny tanjon-Ndjagnahary araky gny fisafidiagna, tsy noho asa reo, fa noho i mikaiky. 12Nivolagniny tamin-drampela hoe: "Gny zokiny de hanompo gny zandriny". 13Tahaky gny voasoratry hoe: "Jakoba tiako, fa Esaka halako".14Ino zany gny raha ho volagnintsika? Misy tsy fahamarigna va miaraky amin-Ndragnahary? 15Tsy hisy mihintsy zay. Ka hoy I tamign'i Mosesy hoe: "Hamindra fo amign'izay tiako hamindrako fo aho, hangoraky gnazy tiako hangorahy". 16Noho zay, tsy noho zay mikasa anizao, noho i mihazakazaky, fa noho Zagnahary, mampiseho gny famindram-po.17Fa gny soratry Masina nagnambara tamign'ny Faraho hoe: "Nohogn'antony zay ro nagnandratako anao, mba hagnatoroako aminao gny heriko, sady mba haganambara gny agnarako eran-tany". 18Noho zay, Zagnahary namindra fo amign'izay tiany, ze tiany ro hamafisigny fo.19Bakeo hivola amiko nareo hoe: "Nagnino ro mbo mahita tsigny avao I?" Fa ia ro mahatohitry gny sitrapony? 20Mifagnohitry amign'izay, ralehilahy, fa ia moa anao ro mamaly magnohitsy an'i Zagnahary? Sa gnazy fa novolavolay hagnambara anign'ny mpamolavola, zany hoe: "Nagnino ro nataonao manahaky anizao aho?" 21Moa gny mpagnefy valagny tsy mana zo amign'ny tanim-potaky ka gny vonga raiky avao ro hamboara fitoera amign'andro voatoka, sy fitoera raiky hafa amign'andavanandro?22Manao akory laha Zagnahary, te hampiseho gny siakiny sy hampahafantatry gny fahefany, niaritry tamin-pahareta gny fitoeragn'ny fahatezera nomagny ho amign'izay fahasimba? 23Nanao akory laha nataony ze mba hampahafantarany gny haregn'ny voninahiny eo amign'ireo fitoeragn'ny famindram-po, ze fa nomagny mialoha ho amy voninahitry? 24Manao akory laha nataony ho antsika koa zay, gnazy kehiny avao koa, tsy amign'ny samby Jiosy reo avao, fa amign'ny Jentilisa reo koa?25Araky gny nivolagniny tamign'i Hosea hoe: "Hokahiako hoe oloko ze tsy oloko ary ho malalany le tsy malala. 26Bakeo amin-dreo ze nagnambara hoe: tsy oloko nareo, agny ro hikahia an dreo hoe: "Gnanakin-Ndzagnahary velo"27Isaia nikaiky mafy gny Israely hoe: "laha manahaky gny fasiky an-driaky eny gny isaky gnanak'Israely, laha ho voavonjy iaby ze sisa tavela, 28fa gny Tompo hinday gny teniny an-tany eto, maro sady tsy ho ela". 29Araky gny nivolagn'Isaia mialoha hoe: "laha gny Tompo tompon'ny maro ro tsy mamela taranaky ho antsika, hanahaky an'i Sodoma tsika, sady hitovy amign'i Gomora".30Ka ino gny raha hovolagnintsika? Reo jentilisa, tsy nila gny fahamarigna, ro nahazo gny fahamarigna, fahamarigna baka amign'ny finoa. 31Fa Israely, nila gny lalagny'ny fahamarigna, tsy niavy tamign'izay.32Nagnino moa? Satria reo tsy nila an'izay tamign'ny finoa, fa tamign'asa. Tafintoha tamign'ny vatogn'ny fanafintohina reo, 33araky gny fa voasoratry hoe: "Henteo, ao Ziona ro ametrahako gny vaton'ny fanafintohina sy vatolampign'ny fandikan-dalana. Ze mino anizay ro tsy ho menatry".

Chapter 10

1Ry rahalahy, gny irigny igny foko sy gny angatahiko amin'Andrianagnahary ho andreo, gny famonjea andreo.2 Fa mitsanga ho vavolombelo reo zaho fa mafana fo ho an'Andrianagnahary nareo, lafa tsy araky gny fahalala. 3Fa tsy mahay gny faha marin'Andrianagnahary reo, ary nila hametraky gny fahamariandreo manokany. Tsy manaiky gny fahamarinan'Andrianagnahary reo.4Fa Kristy ro nimboahagny lily ho fahamaria ho any zay olo mino. 5Fa mosesy manoratry momba gny fahamaria zay avy aminy gny lily hoe: "Gny olo zay manao gny fahamaria gny lily hiaigna amin'zay fahamaria zay."6Fa gny fahamaria ze baka amin'ny finoa ro mivola hoe: "Ka mivola an'ny toy am-po hoe: 'Ia ro hiakatsy agny an-dagnitsy?'(zay mampiakatry an'i Kristy);7 ka aza mivola hoe: 'Ia ro hijoro agny amigny laly?'" (zay mampiakatry an'i Kristy amigny fahafatesa.)8Fa ino moa gny nambaran'zay? "Eo agnilanao gny safa, ao ambavanao ary ao amponao." Zay ry safany finoa, zay nivolagninay.9 Fa amigny vavanao ro anekenao an'i Jesosy ho Tompo, ary mino amigny fonao fa nitsotakan'Andrianagnahary tamigny fahafatesa I ka ho vonje iha.10 Fa amigny fo ro inoa gny olo gny fahamaria, amigny vava ro anekea gny famonjea.11Fa hoy gny Soratry Masy hoe: "Tsy ho megnatry zay gnolo iaby mino azy."12 Fa tsy misy fahasamiafagna eo amin'i Jiosy sy Grika. Fa tompo raiky avao ro tompogny olo iaby, ary harem-pahasoava ho an'zay iaby nikaiky azy I. 13Fa zay iaby nikeha gny agnara gny tompo ro vonjea.14Ahoa ary ro ahafahandreo nikaiky azy zay tsy ninoany? Ahoa ro ahafahanao mino azy zay tsy renareo? Ahoa ro ahafanareo mijanjy lafa tsy misy hagnambara? 15Ka ahoa ro ahafahanareo magnambara, lafa tsy misy naniraky? Araky gny voasoratry hoe: "Nao lahy gny hasoa gny tombokindreo magnambara reo raha soa gny filazantsara."16Kanefa tsy izy iaby ro nijanjy gny filazantsara. Fa hoy Isaia hoe: "Tompo, ia ro nino gny hafatrinay?" 17Baka amin' izay finoa baka amigny fijajigna, ary gny fijanjigny baka amigny safa i Kristy.18Fa hoy zaho hoe: "Kainao va tsy nisy mandre reo?" Eny, vatany marina. "Gny feonareo fa niboaky maneran-tany,sady zay volandreo hatragny amigny faran'zao tontolo zao."19Akoatry zay, hoy zaho hoe: "Kainao va tsy nahay gny Israely?" Tamigny voalohany Mosesy nivola hoe: "Ho ataoko saropiaro amigny zay tsy firenea akory nareo.Amigny firenea zay tsy misy fahalala, ho ataoko avy amigny fahasiakinareo."20Ary io amigny vata sahy tokoa Isaia lafa nivola I hoe: "Jerinareo tsy nialy ahy zaho. Niseho taminareo tsy nagnontany ahy zao."21 Fa hoy I tamin'i Israely hoe: "Tontolo gny andro nandatrahako gny vatako tamign'olo tsy mankato sy mahery loha.
Chapter 11

1Ka nivola aho,narian-Dragnahary araky gny olony? Sagnatria zay. Fa zaho avao koa Israelita, taranak'i Abrahama, baka amy fokon' i Benjamina. 2Dragnahary tsy mbo tsy nagnary Gny olony ze fa hainy taloha. Tsy hainareo va gny voateniny Soratsy Masy mahakasiky an'i Elia. Gny fitaraignany tamin-Dragnahary namotiky an'i Israely? hoe: 3Tompo,I reo ro namono gny mpaminany,namotiky gny alitaranao. Zaho raiky avao sisa tavela, ka mikinia gnaiko reo."4Fa ino gny valin-teny nambaran-Dragnahary azy? Nanoka fito arivo lahy ho gnany gnaiko aho ze tsy nanadohaliky tamin'i Bala teo."5 Manahaky anizay, ananizao avao koa, misy sisa avao nohony fisafidiana amy fahasoava.6Fa laha avy amy fahasoava zay,tsy baka amy asa koa. Fa laha izay tsy fahasoava koa gny fahasoava. ([ Fagnamariha: Gny atontan-taratasy sasany taloha ro mamaky hoe: " Kanefa laha baka amy asa zay,tsy fahasoava koa; fa laha zay tsy asa koa gny asa."]) 7 Ino zao? Gny raha zay nilan'Israely, tsy azony, fa gny voafily ro mahazo anizay, sady namafisy ambiny regny. 8Izay araky gny voasoratry hoe: " Zagnahary nagnome andreo gny fagnahiny fitavozavoza, maso mba tsy hitandreo, sy sofy mba tsy haregnesandreo, mandrak' androany."9Ka hoy Davida hoe: " Aoky gny latabany ho harato sy fandriky, ho vato maminga gny valifaty ho andreo. 10Aoky gny masondreo ho maizigny mba tsy hahajery, aoky hiondriky mandrakizay gny lambosindreo: "11Zao gnataoko: " Hainao fa ho tafitohy reo mba ho lavo?" Sagnatsia lehy zay. Fe, baka amy fahavalondreo, ro nahaavy gny famonjeha taminy hako reo, mba hampialo andreo.12 Laha gny fahavalondreo ro haregnan'zao tontolo zao, laha gny fahaverezandreo ro haregnandreo hako, manao akory gny habevatany fahatanterandreo?13Hananiky zao,miresaky amindreo hako Aho. Sady laha mbo apostolin-dreo hako aho, la mankasitraky gny fagnompoako.14 Vasa hampialo andreo ze baka amy vatako manoka aho. Vasa hamonjy gny sasany amindreo tsika.15Fa laha midika fampihavana an' zao tontolo zao gny fandava andreo, ino ro handraisa andreo anizay fa fiaina baka amy fahafatesa?16 Laha voatoka gny vokatry voalohany, gny ampahany amy kobam-bary koa. Laha voatoka gny fangalany, la manahaky anizay avao koa sampany reo.17Fa laha nitapahy gny sampany sasany, sady laha iha, sampany oliva,ro natambatry tamindreo, sady laha nifampizara tamindreo gny fototry mamokatry gny hazo oliva iha, 18ka mirehareha amindreo sampany. Fa laha mirehareha iha, tsy iha ro manday gny fakany, fa gny fakany ro nanday anao.19Ka hivola iha hoe: " Nitinapaky hiala sampany reo mba hafahako mifandrai aminy." 20Marina zay. Nohony tsy finoandreo la nitinapaky hiala reo, fe nareo mitsanga soa nohony finoanareo. Ka manao gny gnainareo ho ambony, fa matahora. 21Fa laha gny tegna sampany aza tsy nengan-Dragnahary, la tsy hengany avao koa iha.22Ka, henteo, gny fahatsotsaram-po sy gny fahasarotam-pon-Dragnahary. Agnilan'izay, gny fahasarotam-po ro avy amindreo Jiosy ze mentonta. Fa agnilan'izay koa, gny hasoam-pagnahy ro avy aminareo. Fa laha tsy zay, ho tapahy koa nareo.23Ka na zay aza, laha tsy manohy amy tsy finoa reo, la hatambatry. Fa Dragnahary ro afaky hagnapoly hanambatry andreo ndraiky. 24Fa laha nitinapaky tamy hazo oliva nareo, ka natambatry tamy hazo oliva soa,manao akory gny fagnohara hamaroany Jiosy reo, ze sampa voajanahary, natambatry tamy hazo olivandreo manoka?25Fe tsy teako tsy ho hainareo, ry rahalahy, gny amizay raha mivony zay, mba tsy haha-hendry anareo amy eritreretinareo manoka. Zay raha mivony zay ro fa nampahery loha gny ampahany amin' Israely, mandra- piaviny fahafenoandreo hako reo.26Laha izay, ho vonjeo iaby gny Israely iaby, araky gny voasoratry hoe: " Hiboaky baka a Ziona gny mpagnafaky. Hangala gny haratiam-pagnahy amin' i Jakoba I,27 Ka izay ro ho fagnekem-pilongoako amindreo, lafa hagnosotsy gny fahotndreo Aho."28Aminy lafiny raiky mahakasiky gny filazan-tsara ro fahavalondreo noho aminareo. Amy lafiny raiky hafa araky gny safidin-Dragnahary,mahafantatry reo noho gny raza. 29Fa fagnomeza sy kaikin-Dragnahary reo ro tsy miova.30Fa nareo tsy nagnaja an-Dagnahary taloha, kanefa hananizao nareo ro nandramby gny famindram-po noho gny tsy fankatoavandreo. 31 Manahaky anizay avao koa, hananizao Jiosy reo tsy nagneky. Gny vokatriny taminy alalany famindram-po ze naseho anareo ro mety handraisandreo gny famindram-po avao koa hananikizao.32 Fa Dragnahary fa nagnily gny tsy fankatoava iaby, mba hahafahany mampijery famindram-po aminy olo iaby.33Eeh, gny halalikiny harea gny fahendrea sy fahhaizan-Dragnahary! Tsy takatsy gny say gny fitsarany, sady tsy hay refesy gny lalany! 34 Ka ia ro nahavy gny fievitry gny Tompo na ia ro ho avy ho mpanolon-tsay Azy?35Na ia ro hagnome raha an-Dragnahary aloha, ka tsy maintsy hanogneran-Dragnahary Azy ndraiky?" 36Fa baka Aminy sy aminy alalany sady ho gnazy gny raha iaby. Ho gnazy mandrakariva gny vaninahitsy. Amena.
Chapter 12

1Mangataky aminareo aho noho zay, ry rahalahy, noho gn'ny famindram-po Ndragnahary, mba hanolotry gny vatanareo ho soro velo, masina, eken'Ndragnahary. Zay ro fagnompoanareo araky gny tokony ho i. 2Ka manahaky agn'izao tontolo zao, fa miovà amign'ny fagnamboara gny sainareo. Ataovo zao soa ho hainareo ze soa, azo ekea, ka gny sitrapo lafatry gny Zagnahary.3Ambarako, noho gny fahasoava nameany ahy, gny tsy tokony hananan'iaby ze aminareo eo heritreritry hanambony tegna mihoatry ze tokony ho heveriny. Fe koa,tokony hieritreritry am-pahendrea reo, tahaky gny nagnomazan-Ndragnahary fatram-pinoa gny tsirairaiky aby.4Mana ratsan-tagna maro amign'ny vatantsika tsika, nefa tsy mitovy iaby gn'asanireo rantsan-tagna reo.5 Manahaky anizay, tsika ze maro be io de vata raiky avao amign'i Kristy, rantsa manoka amign'ny tsirairaiky.6Mana fanomezam-pahasoava samby hafa tsika araky gny fahasoava namea antsika. Laha faminania ro fagnomeza pahasoava raiky, aoka mba hatao arakign'ny habevata gny finoany. 7Laha fanompoa ro fagnomezan-pahasoava raiky, aoka i hanompo. Laha nisy raiky nahazo fagnomezam-pahasoava hampianatry, aoka i hampianatry. 8Laha fampahereza ro fagnomezan-pahasoava raiky, aoka i hampahery. Laha magnome ro fagnomezan-pahasoava gny raiky, aoka i hanao agn'izay am-pahalalam-tagna. Laha hitariky ro fagnomezam-pahasoava gny raiky, aoka i hamita agn'izay amin-pahendrea. Laha hampiseho fo mangoraky ro fagnomezan-pahasoava gny raiky, aoka zay mba ho vita am-piravoravoa.9Aoka gny fitiava tsy hisy fihatsaram-belatsy. Ankahalao gny raty; tagno mare gny soa.10 Laha gny momba gny fitiavan'ny mpirahalahy, mifankatiava aminareo tsirairaiky aby. Laha momba gny fanomezam-boninahitry, mifagnajà.11Laha gny momba gny fikiriza, ka misalasala. Laha gny momba gny fagnahy, aoka hafana fo. Mikasiky gny Tompo, tompò i. 12Mifalia amin-pahatokia ze agnananao momba gny ho avy. Mahareta amign'ireo fihasahiragnanao. Mivavaha avao.13 Mifampizarà amign'izay ilà gny mpino. Milà fomba hampiantranoanao olo maro.14Misaora gnazy manenjiky anao reo, misaora fa ka magnozo. 15Miaraha mifaly amign'izay mifaly; miaraha mitagny amign'izay mitagny. 16Mitovia fisaigna amign'ny tsirairaiky. Ka misay am fomba mirehareha, fa ekeo reo olo ambany. Ka mihevitry gnainao ho hendry.17Ka mamaly raty gny raty. Manaova raha soa maro an masogn'olo iaby. 18Laha mety, araky gn'izay azonao atao, mihavagna amign'olo iaby.19Ka mamaly raty gnainareo, ry malala, omeo lala gny siakin-Ndragnahary. Fa voasoratry hoe: "Gnahy gny vali-faty; zaho ro hamaly; hoy gny Tompo".20 Fa laha mosary gny fahavalonao, ameo hany i. Laha mangetaheta i, ameo rano hosotroiny. Fa laha manao an zay anao, de hanango vain-motro amign'ny lohany". 21Ka magneky ho resy gny raty, fa reseo amign'ny soa gny raty.
Chapter 13

1Ny fanahy iaby mba hagneky iaby gny hagneky iaby gny manam-pahefa bevata,satria tsy misy gny fahefa laha tsy baka amin-Dragnahary.Sady Ndragnahary ro nametraky gny manam-pahefa.2 Ka laha misy manohitry gny fahefa Ndragnahary voho manohitry koa gny lilin-Dragnahary ka helofa sady ho voasazy reo.3Satria gny mpanapaky tsy natao hampatahotry amy asa marina fa amy asa raty.Tianareo va gny hagniry tsy hatahotry raiky amin'ireo fahefa reo.Manaova raha marina mba ho deray . 4Fa gny mpanompon-Dragnahary ho an'ireo misy gny marina fa laha gnareo manao raha raty ka matahotry azy,satria i tsy manday gny mesony amigny tsy misy antony.Ny mpanompo Ndragnahary magnameloky hoan'ze manao raha tsy marina.5 Ka tokony hanaiky nareo,tsy aminy helokiny avao fa mila mieritreritry.6Mila mandoa hetra koa nareo ,fa reo manam-pahefa sady mpanompon-Dragnahary reo miasa maro fa tsy ankijano.7 Aloavo gny hetranao miaraky amy hetran'ny entanao,matahora amin'zay tokony hatahora,bakeo magnaja amin'zay tokony ho hajay.8Ka manao trosa na aminia na aminia fa mifankatiava avao. 9Maro gny lily io:"Ka mangalatry valign'olo,ka mamono olo,voho tsy mangalatry,sady ka mitsiriritry,"laha mbo misy gny lily ankoatrin'ireo,zay ho fehezy amin'ny safaraiky:"Tiavo gny namanao mitovy gnainao." 10Gny fitiava zay tsy manao raty amin'olo,ka zay gny fitiava nampiteraky gny lily.11Ka noho zay fa hainareo gny andro hifohazanareo amy tori-maso ,henany zao fa marikitry gny raha voalohany ninoantsika dia gny fanavota antsika. 12Rosogny haliky sady miamarikitry andro,noho zay,ndao haria gny asan'ny maiziky sady hisikinan-tsikagny fialiagny mazava13Andao handea amy lala mahity mitovy amin'andro fa tsy mitovy amin'andro fisinisinia tsy ampiheve na amin'andro hamamoa sady anadao tsy hanao na fila tsy voafehy voho tsy fifanohera sady fialona. 14Mirakofa amin'i Jesosy Kristy Tompo ka manomeza hiriky ho an'ny nofotry mba hanomeza gny fahafahampo ilany.
Chapter 14

1Rambeso iaby na ze malemy amy gny finoa, fa ka mitsara momba gny tohan-kevitsy.2 Gny olo raiky ro mana gny finoa ihina ndre ino ndre ino, fa gny hafa ro malemy tsy mihina laha tsy gny legioma.3Engao gny mihina gny raha iaby tsy hanamavo ze tsy mihina iaby; ze tsy mihina gny raha iaby engao tsy hitsara gnazy mihina iaby reo. Fa Ndragnahary fa magneky azy.4 Ia moa iha, gnazy mitsara gny mpanompo olo hafa io? Agnilan' gny tompony i ro mitsanga na miatonta. Fa hatsangany i, fotony gny Tompo ro afaky mandreny azy.5Gnolo raiky mihevitsy fa misy andro soa mihoatry gny sasany. Gny hafa koa mihevitsy fa mindrygny andro iaby. Engao gny kiraidraiky ho resy lahatry araky gny raha hainy. 6Ze mihevitsy gnandro, mihevitsy ze ho gnan'i Tompo; ze homa, ro homaho gnan'i Tompo, Manao mahavelo bevata an-Dragnahary i. Ze tsy homa, i koa mbo manao mahavelo an-Dragnahary avao koa.7Fa tsy misy miay gny vatany tsika, sady tsy hisy ho maty gny tegnany.8 Fa laha tsika ro miay, miay ho gnan'i Tompo, laha tsika koa ro maty, maty ho gna'i Tompo. Tsika mety miay na maty, ho gnan'i Tompo. 9Fotony zay ro nahafaty an'i Kristy sady nahavelo azy ndraiky, zay ro ahavy Azy ho Tompo gny maty voho gny mbo miay.10Fa iha moa ro mandily gny rahalahinao? Ka iha, nagnino ro tsy te gny ralahinao? Tsika iaby zao mbo ho tsaray aloha gny seza fitsaran-Dragnahary.11 Fa vosaoratry gny hoe:" Laha mbo velo koa zaho," hoy gny Tompo, " hiforitry alohako gny lohaliky iaby, gny lela iaby ro handrengy an-Dragnahary."12Noho gny raha zay, tsika iaby io hanao tatitry gny vatany kiraidraiky amin-Dragnahary. 13Ka, engao tsika tsy hifamitsara koa, hanapaky hoe, mba tsy hisy hametraky vato fandriky ho gnany ralahiny.14Mahay zaho sady resy lahatry amin' gny Tompo Jesosy, fa tsy hisy handoto gny tenany. Fa ndre ia ro mandramby tsy halio mihintsy.15 Fotony laha i ro malahelo noho gny hanin'gny ralahinao. Ka robay noho gny haninareo ze nafoizan'i Kristy gny ainy.16Ka magnenga ze vetsevetseanareo ho soa ho aratia. 17Fa gny fanjakan-Dragnahary ro tsy mahakasiky gny hany voho gny rano finoma, fa momba gny fahamarigna, fiadagna, voho gny fisinisinia amin'gny fanahy Masina.18Fa ze magnompo an'i Kristy ro ankasitrahin-Dragnahary voho eke gnolo.19 Noho raha zay, engao tsika hanohy gny fiadagna voho gny raha magnefy gny kiraidraiky iaby.20Ka ribahy noho gny hany gny asan-Dragnahary. Malio vatany gny raha iaby, fa loza ho gnany ze homa azy voho mahavy gny fahapohia. 21Soa gny tsy fihomana-kena, ndre mino divay, na gny raha iaby ze mety ahapohiny gny ralahinao.22Gny finoa anagnanao, ajario aminao ao voho amin-Dragnahary ao. Sambatry ze tsy magnameloky gny vatany amin'gny raha ekeny. 23Ze mihakatry ro meloky laha homa, fotony tsy tamin'gny finoa raha io. Ndre ino ndre ino ro tsy baka amin'gny finoa fa fahota iaby zay.
Chapter 15

1Tsika ze mbo henja engao mba handefitry gny falemea gny malemy, sady tsy tokony hanao gny raha teany gnaintsika. 2Ao gny kiraidraiky hanao gny raha hampisinisinia gny mpiara-belo fazay ro soa, handrebohantsika azy.3Ndre Kristy aza tsy nanao gny raha teany. Fe, manahaky an'izao gny voasoratry hoe:" Gny fagnaboka nagnaraty anao reo fa niavy tamiko tatoy iaby." 4Fa ndre ino ndre ino voasoratry taloha tagny ro fampianara antsika, mba ho amin'ny gny fahareta voho gny fampahereza gny Soratry Masina ro hanagnantsika toky.5Ndzagnahary gny fahareta voho gny fampahereza ro hagnome fisaigna manahaky gnany tsiraidraiky hoy Kristy Jesosy.6 Hataony raha io amin'ny fomba fisaigna raiky voho amin'ny gny tsihovy raiky avao koa ro hiderantsika an'i Ndzagnahary voho gny Banan'i Tompontsika Jesosy Kristy.7 Fotony tsika mifankazahoa rolahy, manahaky gny nampiharoan'i Kristy anareo, ho fandrenge an'Ndzagnahary.8Ambarako fa Kristy ro fahamarignan-Ndzagnahary, mba ahafaha magnarina gny fampanantena nameany gny raiky, 9gny Jentilisa hamea voninahitry gny Ndzagnahary baka amin'ny gny famindra-pony. Raha zay fa voasoratry hoe:" Fotony raha zay ro hagnome fandrenge Anao tanjikfy gny Jentilisa Aho sady hiantsa fandrengea gny agnaranao."10Mbo voasafa avao ndraiky gny hoe:" Misinisinia, miaraky amin'gny fokonolony, ro Jentilisa." 11Hoy ndraiky hoe:" Derao gny Tompo, ro Jentilisa iaby e, engao gnolo iaby handrengy Azy ."12Isaia nivola hoe:" Hisy taranak'i Jese, sady gny raiky ze hiongaky hanapaky eo amin'gny Jentilisa. Hana gny fahatokia aminy Jentilisa reo.13Gny Ndzagnahariny gny fatokisa ro hagnome anareo gny fisinisinia voho gny fiadagna amin'gny finoa, mbo tsentsy fahatokisa, hery baka amin'gny Fanahy Masina.14Gnaiko zao koa ro resy lahatry gny mahakasiky anareo, rahalahiko. Resy lahatry iaho fa nareo avao ro tsentsy hasoa, tsentsy fahalala iaby. Resy lahatry iaho fa nareo koa ro mifagnanatry.15Manoratry aminareo iaho momba gny raha sasany mba hampatiaroviko anareo, fotony gny fagnomeza Ndzagnahary gny fahasoava tamiko. 16Zay ro andesiko hanompoako an'i Kristy Jesosy nalefa t'a Jentilisa tagny, mba hanolotry manahaky gny soro gny filazantsara-Ndzagnahary. Tokony hataoko raha zay mba ho azo ekea gny farity gny Jentilisa, voatoka gny Fagnahy Masina.17Gny fisinisiniako ro baka amin'gny Jesosy voho gny fahasoava-Ndzagnahary.18 Tsy hasaky hivola ndre ino ndre ino laha tsy gny soa nataon'i Kristy tamin'gny alalako ho gnan'ny fankatoava gny Jentilisa iaho. Raha iaby reo vita tamin'gny safa voho gny asa,19 tamin'gny hery gny famantara voho gny fahagaga gny Fanahy Masina. Baka Jerosalema, lavidavitry manahaky gny Ilyrikioma, ro ahafahako magnatanteraky gny filazantsaran'i Kristy.20Gny vetsivetsiko laha gny hitory gny filazantsara, fa tsy gny hoe ahaiza gnolo gny agnarany Kristy. 21Raha zay fa voasoratry hoe:" Taminy gnazy tsy nivola Azy ro nahajery Azy, gnazy ze tsy nahare ro ahazo Azy."22Baka amin'gny raha zay avao zao ro tsy ahafahako hamonjy anareo .23 Fa henaniky zao, tsy mana faritry amin'reo koa Iaho, fa tao maromaro ro nagniriako mare gny handeha aminareo agny.24Ndre ombia ndre ombia gny andehanako a Espana, magnantegna iaho gny ahita anareo lafa mandalo, de asesinareo amin'gny tana andehanako, lafa mahazo fafiny bakaminareo betibetiky Zaho.25 Fa henaniky io Zaho handea a Jerosalema agny hanmpo gny mpino reo.26Fa filafilain'gny Makedonia voho gny Akaia gny fandrambesa anjara ho andreo latsa gnazy mpino a Jerosalema. 27Eka, haravoa gnandreo, sady, mpitrosa aminy vatany reo. Fa laha gny Jentilisa ro nizara tamindreo gny raha reo, de tokony hagnompo andreo koa reo aram-pitaova.28Lafa nitanterahiko asa io sady nagnamafy fa voavory gny vokatry , de handea a Espaina zaho sady hitsikdiky andreo amin'gny lalako.29 Haiko fa lafa mandea aminareo zaho de handay andreo amin'gny fitahian'i Kristy.30Henaniky io zaho mampirisiky anareo, ry rahalahy , amin'i Jesosy Kristy Tompontsika, voho amin'gny hatea gny Fanahy, hiaraky hialy miaraky amiko amin'gny vavaky ataonareo amin-Dragnahary ho gnahy.31 Mivavaha mba ho avotry amindreo ze tsy mino agny Jodia zaho, sady mba ho ekea ny gnazy mpino gny fanompoako ho gnany Jerosalema.32 Mivavaha mba hoavy aminareo amin'gny sitrapon-Dragnahary, sady mba ahafaky ahy, miaraky aminareo.33Ndragnahary gny fiadagna ro hitahy anareo iaby. Amena.
Chapter 16

1Laha apetrako aminareo le i Foibe anabavintsika, mpanompo gny fiangona Kenkrea, 2mba andrambesanareo azy amin'i Tompo ao. Ataovo amin'ny fomba soa zay le nareo mpino reo, ka mba ampio i amin'ny fasahira mety hahazo azy. Fa i koa mba lasa manampy olo, miaraky amiko koa.3taovo veloma ry Prisila sy Akoila, mpiara miasa amiko amin'i Kristy Jesosy,4 nanome gny ainy ho ahy. Misaotry andreo aho, tsy zaho raiky avao koa, fa fiangonan'ny jentilisa reo koa. 5Manaova veloma gny fiangona an-tranondreo ao koa. Ataovo veloma koa i Epaineto, vohaloha gny vokatr'i Asia hamea an'i Kristy.6Ataovo veloma Maria, niasa mare ho anareo.7 Ataovo veloma i Androniko sy Jonia, longoko mariniky, niaraky nigadra tamiko. Malaza tamin'ny apostoly reo, taloako niaraky tamin'i Kristy.8 Ataovo veloma koa Ampliato.9Ataovo veloma i Orbano, mpiara-miasa amintsika amin'iKristy ao, sy Staky.10 Ataovo nahoa Apela, raiky enkea amin'i Kristy ao. Ataovo nahoa ze antranon'i Aristobolo ao. 11Ataovo veloma i Herodiona, longoko. Ataovo veloma iaby ze antranon'i Narkisa ao, raiky amin'ny Tompo ao.12Ataovo veloma i Tryfena sy Tryfosa, miasa mare amin'ny Tompo ao. Ataovo nahoa Perysa, niasa mare tamin'ny Tompo tao. 13Ataovo veloma Rofosy, raiky voafily tamin'ny Tompo tao, miaraky amin'ny neniny sy neniko. 14Ataovo veloma Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, miaraky amin'ny rahalahy miaraky amindreo.15Ataovo veloma Filologia sy Jolia, Nerea sy gny anabaviny, sy Olimpa, miaraky amin'ny mpinondreo ao. 16Mifanaova veloma amin'ny orokoroky masy. Fiangonan'ny Kristy iaby laha manao veloma anareo koa.17Enaniky zao, mamporisiky anareo zaho, rahalahiko, mba hieritreritry momba gny mahavy ngy fizarazara sy fanaova raty olo. Reo laha mioatry lavitry gny fampianara namea anareo. Mialaha lavitry andreo.18 Tsy mpanompon'i Kristy Tompontsika reny, fa mpanompo gny kibony avao olo manahaka anireny. Manao teny soa malemilemy olo manao anireny hamitaha gny olo marina.19Fa gny fanohara atao nareo amin'ny fanaran-tsafa, laha avy amin'olo raiky raiky aby. Baka amin'izay, faly zaho, fa tiako ho hendry amin'ny raha soa nareo, ka tsy hisy tsiny amin'ny raty. 20Ndragnahary gny fiadana hametaky an'i Satana ambany gny tombokinareo tsy ho ela. Ho aminareo le gny fasoavan'i Tompontsika Jesosy Kristy.21nao veloma anareo Timoty, mpiaraky miasa amiko, sy Losio, Jasona ndraiky Sosipatro, longoko. 22Zaho, Tertio, nanoratry epistily ty, manao veloma anareo amin'ny anaran'i Tompo.23Gaio, raiky nanome trano ahy sy gny fiangona iaby, laha manao veloma anareo. Erasto, mpitanjaky vola an-tana ao, manao veloma anareo miaraky amin'i Koarto rahalahy. 24Ho aminareo le gny fasoava gny Tompontsika Jesosy Kristy. Amena.25Ka gny voninahitry laha ho Azy navita napitsanga anareo tamin'ny filazantsarako sy gny fitoria an'i Jesosy kristy, araky gny fagnambara gny mistery notazomy ho tsiambaratelo ela be taloa tany, 26laha nambara enaniky izao, ka tamin'ny bokin'ny faminaniha ro nampahafantary tamin'ny firene iaby, baka amin'ny lily Ndragnahary tsisy fiafara, ho fanara gny finoa.27Ho an-Dragnahary raiky avao gny fahendreha , ngy voninahitry tsisy fiafara, baka amin'i Jesosy Kristy, Amena.

1 Corinthians

Chapter 1

1Paoly naken'i Jesosy Kristy mba ho Apostoly noho gny sitrapo Ndragnahary, ndraiky Sostena ralahitsika, ho agny fiangona Ndragnahry ao Korinto, 2ho andreo gnazy nohamasiy tamy Kristy Jesosy, gnazy voakaiky ho olo masina. Manoratsy ho ndreo iaby gnazy mikaiky gny agnaran'i Jesosy Kristy Tompotsika amy toera iaby koa zahay, laha Tompo ndreo ndraiky tsika. 3Ho amy nareo le gny fahasoava ndraiky gny fiadana baka amy Ndragnahary Babantsika ndraiky Jesosy Kristy Tompo.4Zaho laha manome fisaora an-Dragnahary ho anareo roho gny fahasoava Ndragnahary gnazy momen'i Jesosy Kristy anareo.5 Nataony nanankarena tamy fombo iaby nareo, tamy fiteny iaby ndraiky gny fahaiza iaby,6 laha voaporofo tamy nareo fa marina gny fagnambara mahakasiky agn'i Kristy.7Roho zay nareo laha tsy ijaly fanomeza fahasoava avao gny fagnambara agn'i Jesosy Kristy Tompotsika. 8I avao koa laha hapatanjaky anareo hatramy farany, mba tsy hanantsiny nareo amy andron'i Jesosy Kristy Tompotsika. 9Matoky Ndragnahary, gnazy nikaiky anareo ho amy fikambana amy Agnakiny lahy, Jesosy Kristy Tompotsika.10Enaniky zao laha mampirisiky anareo aho, lehy reo, amy gny agnaran'i Jesosy Kristy Tompotsika, mba hifanaraky nareo iaby, sady tsy hisy fisaraha aminareo. Mampirisiky aho mba hikamba amy say mitovy ndraiky tanjona mitovy nareo. 11Fa fa natao mazava tamiko, ley reo, baka amy vahoaky Kloe fa misy fifampiandaia aminareo.12Gny tiako ambara laha zao: Gny tsiraikiraiky aminareo samy manao hoe: ''Zaho miaraky amy Paoly,'' na ''Zaho miaraky amy Apolosy,'' na ''Zaho miaraky amy Kristy.'' 13Voazarazara va Kristy?'' Paoly va ro nifantsia ho anareo? Tamy gny agnaran'i Paoly va ro nanaovo batisa anareo?14Misaotsy an-Dagnahary aho fa tsy nisy nataoko batisa nareo, afa-tsy Krispo ndrisky Gaio. 15Zay laha mba tsy hafaha ndra iha ndra iha mivola hoe tamy agnarako ro nanaoba batisa anareo. 16(Zaho avao koa laha nanao batisa gny longon'i Stefanasy. Gny hafan'izay, tsy haiko laha nanao batisa olo hafa aho.)17Fa Kristy laha tsy naniraky ahy mba hampanao batisa fa hitory gny filazantsara. I tsy handefa ahy hitory amy teny fahendre gny olombelo, mba tsy ho tapitsy gny fahatanja gny hazofijalian'i Kristy.18Fa gny hafatsy mahakasiky gny hazo fijalia laha fahadala amindreo gnazy ho maty. Fa eo amindreo gnazy ho vonje Ndragnahary koa, laha tanjakin-Dragnahary zay. 19Fa voasoratsy hoe: ''Ho poteko gny fahihiany gny mahitsy. Ho alaiko gny fahaiza gny mahay.''20Aia gny olo mahitsy? Aia gny magnam-pahaiza? Aia gny mpialy hevitsy agny tany iaby? Va tsy navaliky Ndragnahary ho fahadala va gny fahihira gny tany iaby?21 Fotony tsy nahay an-Dragnahary gny tany iaby tamy gny fahihirany, laha sitrany Ndragnahary gny hagnavotsy reo gnazy mino baka amy gny fahadala gny fitoria.22Fa reo Jiosy mangataky famantara mahatseriky sadt reo Grika mikaroky fahihiry. 23Fa zahay magnambaa agny Kristy voafantsiky, gnazy vao fampalahelo andreo Jiosy sady fahadala ho andreo Grika.24Fa ho andreo gnazy nake Dnragnahary, reo Jiosy ndraiky reo Grika, laha magnambara agny Kristy manahaky gny tanjaky ndraiky fahihira Ndragnahary zahay. 25Fa gny fahadala Ndragnahary laha mahihitsy roho gny olo, sady gny fahaleme Ndragnahary laha matanjaky roho gny olo.26Hevero gny fikaia anareo, lehy reo. Tsy maro tamimareo ro mahihitsy laha gny amy maha olombelo. Tsy maro tamindreo lo natanjaky. Tsy maro taminareo ro ambony firazana. 27Fa Ndragnahary laha nifily reo raha adala gny tany iaby mba hampamenatsy gny mahihitsy. Ndragnahary laha nifily gnazy malemy amy tany iaby mba hamenatsy gnazy matanjaky.28Ndragnahary laha nifily gnazy ambany ndraiky hamavoina amy tany iaby. Na I aza laha nifily reo raha gnazy nieritrerety ho tsisy dikany, mba tsy hampisy dikany agny reo raha atao misy dikany.29 Nataony zay mba tsy hisy hana antony hisehosehoa Aminy eo.30Roho gny natao Ndragnahary, enaniky zao nareo laha amy Kristy Jesosy, gnazy lasa fahihira ho antsika baka amin-Dragnahary. I laha nanjary fahamarinantsika, fahamasinantsika sady fahafahantsika. 31Vokatsin'izay, araky gny voateny gny Soratsy Masina hoe: ''Ao gnazy misehoseho, hisehoseho amy Tompo.''

Chapter 2

1Lafa taminareo teo aho, lehy reo, laha tsy avy niaraky tamy safa na fahihira laha nagnambara gny misitery mahakasiky an-Dragnahary. [Fanamariha: Ny dika-teny maro hafa dia mivaky toy izao hoe: "Raha nanambara ny fijoroana vavolombelona momban'Andriamanitra aho."] 2Fa nanapaky hevitsy tsy hahay ndra ino ndra ino aho lafa taminareo teo, afa-tsy Jesosy Kristy, ndraiky I voafantsiky.3Sady niaraky taminareo aho tamy fahalemeha, ndraiky tamy tahotsy, sady tamy hitikitiky bevata. 4Sady gny hafatsiko ndraiky gny fagnambarako laha tsy tamy gny safa maha resy mahataitsy gny fahihira. Fa koa, reo laha tamy gny fampahita gny Fagnahy ndraiky gny tanjaky,5 mba tsy ho amy fahihira gny olombelo gny finoanareo, fa amy tanjaky Ndragnahary.6Enaniky zao laha miresaky fahihira amy nareo matotsy tsika, fa tsy gny fahihira gny tany iaby zao, na gny andreo mpanapaky gny tao zao, gnazy mandalo avao.7 Fa koa, mivola gny fahihira NDragnahary amy fahamarina mivony tsika, ngazy fahihira mivony gnazy nitondro Ndragnahary voalohany taloha ndreo tao iaby ho voninahitsy tsika.8Tsy nisy tamindreo mpanapaky gny andro zao ro nahay io fahihira io, fa laha nahatakatsy agn'izay reo tamy zay fotoa zay, laha tsy ho nifantsiandreo gnazy Tompo gny vonignaitsy. 9Fa araky gnazy voasoratsy hoe: ''Reo raha gnazy tsy nisy maso nahita, tsy nisy sofy nahare, tsy nisy eritseritsy naharamby antsay, reo raha gnazy nomanin-Dragnahary ho andreo tia Azy.''10Reo ro raha natoro Ndragnahary taminay baka amy Fagnahy. Fa gny Fagnahy laha mila gny raha iaby, na taha reo raha laliky Ndragnahary aza. 11Fa iha ro mahay gny fisay gny olombelo raiky laha tsy gny fagnahy gny olo aminy ao? Baka amy zay koa, tsy misy mahay reo raha raha laliky Ndragnahary laha tsy gny Fagnahy Ndragnahary.12Fa tsy nandramby gny fagnahy gny tany iaby zao tsika, fa gny Fagnahy gnazy baka amy Ndragnahary, mba hafantsika mahay reo raha omeha antsika maimaimpoana baka amy Ndragnahary. 13Mivola mahakasiky reo raha reo amy safa gnazy tsy hay gny fahihira gny olombelo ampianary zahay, fa gnazy ampianary gny Fagnahy anay. Gny Fagnahy ro mandika gny safa ara-pagnahy miaraky amy gny fahihira ara-pagnahy.14Gny olo gnazy tsy ara-pagnahy laha tsy mandramby reo raha gnazy agny Fagnahy Ndragnahary, fotony fahadala aminy reny. Tsy afaky mahay agn'ireny i fotony famantara ara-pagnahy reny. 15Gnazy ara-pagnahy laha mitsara gny raha iaby, fa tsy ho azo gny fitsara gny hafa i. 16''Fa iha ro afaky mahay gny fisaina gny Tompo, ro afaky hampianatsy Azy? Fa zahay laha mana gny fisain'i Kristy.

Chapter 3

1Sady zaho, lehy reo, laha tsy afaky nivola taminareo manahaky gny olo gnazy ara-pagnahy, fa koa manahaky gny olo ara-nofo, manahaky gny ajaha kelikely amy Kristy. 2Nofahanako ronono nareo, fa tsy venti-kany, fotony tsy vonona tamy zay nareo; sady na enaniky zao aza laha mbo tsy vonono amy zay nareo.3Fotony nareo mbo araky gny nofo. Fa ndra aiha misy fahasarotam-piaro ndraiky fifandira aminareo, laha tsy miay araky gny nofo va nareo, sady tsy mandeha amy hitsy gny olombelo?4 Fa lafa misy raiky mivola hoe: ''Zaho magnaraky agny Paoly,'' sady gny raiky mivola hoe: ''Zaho magnaraky agny Apolosy,'' laha tsy miay manahaky gny olombelo avao koa va naeo?5 Iha sady Apolosy? Iha Paoly? Mpagnompo gnazy baka aminy ro ninoanareo, gnazy nameha gny Tompo asa iaby.6Zaho ro mamboly, Apolosy ro nanondraky, fa Ndragnahary ro nampitombo. 7Ka raho zay, nda i gnazy namboly ndra i gnazy manondraky laha tsy misy dijany. Fa Ndragnahary ro mampitombo.8Sady i gnazy mamboly ndraiky i gnazy manondraky laha aiky, sady ngy kirairaiky laha samy hahazo gny karamany iaby araky gny asany. 9Fa zahay laha mpiaraky miasa amy Ndagnahary. Nareo laha saha Ndragnahary ndraiky trano Ndragnahary.10Araky gny fahasoava Ndragnahary gnazy nameha ahy manahaky gny mpanao trano mahay, laha nametraky gny fototsy aho sady hafa ro manamboatsy amboniny eo. Fa ao gny johary kirairaky hitandry gny amy gny fomba hanamboarany eo amy zay. 11Fa tsy misy olo mametraky fototsy laha tsy gnazy raiky gnazy napetsaky, zany hoe, Jesosy Kristy.12Enaniky zao laha misy olo manamboatsy ambony gny fototsa amy volamena, volafotsy, vato sarobidy, hazo, bozaky, na maloto, 13laha hatoro gny asany, fa gny ando mazava ro anoroa agn'izay. Fotony hatoro amy afo zay. Gny afo ro hitsapaha gny hasoa gny natao gny kirairaiky.14Laha mipetraky gny asa ngazy olo iny, laha hahazo valisoa i; 15fa laha may gny asa gnazy olo iny, laha ho fatiantoky i, fa i tenany laha ho avoty, manahaky gny nilay tamy afo avao.16Tsy ainareo va fa nareo laha tempoly Ndragnahary sady gny Fagnahy Ndragnahary ro mipetraky amy nareo ao? 17Laha misy olo manimba gny tempoly Ndragnahary, laha hanimba gnazy olo gnazy an-Dragnahary. Fa masina gny tempoly Ndragnahy, sady manahaky zay koa nareo.18Ka ambela hisy olo hamitaky tena. Laha misy olo aminareo eo mihevitsy fa mahitsy i amy zao andro zao, mbelao i ho lasa ''adala'' amy gnazy mety mba hahitsy i. 19Fa gny fahihira gny zao tany zao laha fahadala amy Ndragnahary. Fotony voasoratsy hoe: ''Nahatratsy gny hendry tamy gny hafetseny reo.'' 20Sady koa hoe: ''Gny Tompo laha mahay fa gny fihevitsy gny mahitsy laha raha fatany.''21Roho zay tsy misy fiheboheboa mahakasiky gny olo sasy! Fa gny raha iaby laha anareo, 22ndra Paoly, ndra Apolosy, ndra Kefasy, ndra tany iaby zao, ndra fiaina, ndra fahafatesa, ndra raha enaniky zao, ndra raha ho avy. Gny raha iaby laha anareo, 23sady nareo laha agny Kristy, sady Kristy laha an-Dragnahary.

Chapter 4

1Manahaky zao ro tokony handrambesa gny olo antsika, manahaky gny mpanompon'i Kristy sady mpitandry reo mistery Ndragnahary.2 Amy zay fifandraisa zay, laha lily takia amindreo mpitandry gny maha mendriky atokisa andreo.3Fa amiko laha raha kelikely gny tokony hitsaranareo na hitsaran'olombelo iaby ahy. Fa ndra zaho aza tsy mitsara gny tenako.4 Zaho laha tsy mahay gnazy fitoria natao tamiko, fa zay laha tsy midika fa tsy manan-tsiny aho. Gny tompo ro mitsara ahy.5Roho zay, ka manono fitsara mahakasiky gny raha aloha gny fotoa, aloha gny hiavia gny Tompo. Ilaha handay reo mivony gny maiziky ho amy fahazava sady hanoro gny faniria gny fo. Bakeo gny kirairaiky laha handramby gny fiderany baka amy Ndragnahary.6Enaniky zao, lehy reo, nampiasa reo lily reo tamiko ndraiky tamy Apolosy aho roho gny aminareo, mba hafanareo mianatsy baka aminay gny dika gny safa hoe: ''Ka mandeha mihoatsy gny zay voasoratsy.'' Zay laha mba tsy hisy raiky aminareo hisehoseho gny amy fanenkea gny raiky roho gny hafa. 7Fa iha ro mahita fahasamihafa aminareo ndraiky reo hafa? Ino ro anananareo ka tsy nirambesinareo fotsiny? Laha nandramby agn'izay fotsiny nareo, manio nareo ro misehoseho manahaky gny tsy nanao manahaky zay?8Fa agnananareo iaby gnazy iaby tadiavinareo! Fa lasa mpanakarena nareo! Sady nanomboky nanjaka nare - sady zay laha tsy baka taminay! Zaho laha maniry tokoa gny nanjakanareo, mba hafanay manjaka miaraky aminareo. 9Fa zaho laha mieritseritsy fa Ndragnahary laha nametraky antsika ho apostoly hita manahaky gny farany amy gny isaky ndraiky manahaky gny olo voaheloky ho faty. Izahay laha lasa fampisehoa ho agny tany iaby - ho andreo anjely, sady gny ho agny olombelo.10Zahay laha adala roho amy Kristy, fa nareo laha mahitsy amy Kristy. Malemy zahay, fa nareo matanjaky. Nareo laha nome voninahitsy, fa zahay koa tsy nalay baraka. 11Hatramy zao zahay laha mosary ndraiky mangetaheta, mahantra siky, vovango mare, sady tsy mana ipetraha.12Miasa mare zahay, miasa amy tagnanay avao. Lafa latsay zahay, laha miaritsy. Lafa henjey zahay, laha mitso-drano. 13Lafa voaendrikendriky zahay, laha mivola amy haratia fagnahy. Zahay laha niova, sady mbo ho ambesy ho fako gny tany iaby zao ndraiky faiky gny raha iaby.14Zaho laha tsy nanoratsy raha reo mba hahamenatsy anareo, fa magnitsy anareo manahaky gny agnaky tiako.15 Fa na taha mana mpiamby ray aly amy Kristy aza nareo, laha tsy mana raiky maro be. Fa zaho laha lasa baba nareo my Kristy Jesosy baka amy filazantsara. 16Roho zay laha mampirisiky anareo aho mba ho mpangala tahaky ahy.17Zay ro nandefasako anareo agny Timoty, agnaky tiako sady mahatoky amy Tompo. I laha hampatiaro anareo reo lalako amy Kristy, manahaky gny ampianariko andreo ndra iha ndra iha ndraiky amy fiangona iaby.18 Enaniky zao lasa miavona gny sasany aminareo, manao manahaky gny hoe tsy ho avy aminareo agny aho.19Fa ho avy tsy ho ela agny aminareo aho, laha sitraky gny Tompo. Sady tsy hahay gny resakindreo gnazy tena miavo fotsiny aho, fa hahita gny tanjaky ndreo. 20Fotony gny fanjaka Ndragnahary laha tsy mifototsy amy resaky fa amy tanjaky. 21Ino ro tadiavinareo? Tokony ho baka aminareo miaraky amy tapakazo va aho sa amy fitiava feno hasoam-pagnahy?
Chapter 5

1Zahay laha nahare tatitsy fa misy fijangajanga aminareo, karaza fandaisa tena tsy mendriky gnazy tsy azo atao amy reo Jentilisa. Gny tatitsy laha hoe misy raiky aminareo miaraky matory amy valy gny babany, 2Nareo laha tena miavonavo! Fa tsy tokony alahelo va nareo? Gny raiky gnazy nanao agn'izay laha tsy maintsy alay aminareo eto.3Fa na taha tsy eo amy vata aza aho fa mbo eo amy fagnahy, laha fa nitsara gnazy raiky nanao agn'izay sahady, manahaky gny hoe teo aho. 4Lafa miaraky mivory amy agnaran'i Jesosy Tompotsika nareo, sady gny fagnahiko laha eo koa amy tanjakin'i Jesosy Tompotsika, laha fa nitsara io olo io sahady aho.5 Nataoko zay mba hagnomeza agn'izay johary zay ho agny Satana ho famotea gny nofo, mba ho avotsy gny fagnahiny amy andro gny Tompo.6Tsy soa gny fiseoseoanareo! Tsy hainareo va fa gny lalivay kelikely laha manova gny mofo iaby? 7Ataovo malio gny tenanareo amy lalivay taloha mba ho avy mofo vaovao nareo, ka mba ho avy mofo tsy misy lalivay. Fa Kristy, gnazy Agnaky Ondrintsika tamy Paska, laha natao soro. 8Roho zay laha ao tsika hanao fety gny hafalia, tsy amy lalivay taloha, gnazy lalivay gny fandaisa tena raty ndraiky faharatia. Fa koa, ao tsika hifety amy mofo tsy misy lalivay gny fahadiavam-po ndraiky fahamarina.9Zaho laha nanoratsy ho anareo tamy taratasiko mba tsy hiaranareo miasa amy reo olo mpijangajanga. 10Kanefa gny tiako ambara laha tsy gny olo mpijangajanga iaby amy tany iaby zao, ndra reo tsy maha taha tena, na reo mpamitaky, na reo mpanompo sampy, fotony mba hiala amindreo laha mila miala amy tany iaby zao nareo.11Nefa enaniky zao aho manoratsy ho anareo mba tsy hiaraky hiasa miaraky amy ndra iha ndra iha gnazy akea hoe rahalahy nefa miay agnaty gny fijangajanga, na gnazy maha taha tena, na mpanompo sampy, na mpivola raty, na mamo lava, na mpamitsaky. Ka mihina hany miaraky amy olo manahaky zay. 12Fa akory ro ilirako amy fitsara reo gnazy tsy agnaty fiangona? Mifanoitsy amy zay, nareo va tsy tokony hitsara reo gnazy vagnaty gny fiangona? 13Fa Ndragnahary laha mitsara reo gnazy tsy agnatiny. ''Alao aminareo gny olo raty.''

Chapter 6

1Lafa misy raiky aminareo amana aly amy raiky hafa, hasaky handeha agmy fitsara amy mpitsara tsy mpino va i, fa tsy amindreo mpino? 2Va tsy hainareo va fa reo mpino ro hitsara agny tany iaby zao? Laha zay, nareo ro hitsara agny tany iaby zao, moa tsy mahavita mandamy raha maliniky va nareo? 3Va tsy hainareo va fa hitsara reo anjely tsika? Manao akory, roho zay, gny abevata gny fahafantsika mitsara reo raha amy ty fiaina ty?4Laha ohatsy ka afaky mitsara gny raha gnazy misy isanandro iha, manino iah ro mametraky karaza ndraha manahaky zay amy reo gnazy tsinotsino amy fiangona? 5Hamenatsy anareo ro hivolanako agn'izay. Va tsy mba misy ampy fahihira na taha raiky aza aminareo handamy gny tsy fifankazaoa amy mpirahalahy? 6Fa koa, misy mpino raiky mandeha mifanatsiky amy mpino hafa amy fitsara, sady zay raha zay laha hapetsaky amy mpitsara gnazy mpino!7Gny fisia gny aly amindreo kristiana iaby laha fa faharesea ho andreo sahady. Fa tsy aleo va mijaly amy fahadisoa? Fa tsy aleo va ambela ho voafitaky gny tenanareo? 8Fa nareo laha mandiso ndraiky mamitaky reo hafa, sady laha rahalainareo avao reo!9Moa va tsy hainareo fa gny tsy marina laha tsy handova gny Fanjaka Ndragnahary? Ka mino vandy. Reo vetaveta, reo mpanompo sampy, reo mpijangajanga, reo johary mpivaro tena, reo gnazy miaraky matory amy samy johary, 10reo mpangalatsy, reo tsy mahay gny ampy, reo mamo lava, reo mpanaraty, reo mpagnavony - tsy misy amindreo handova gny fanjaka Ndragnahary. 11Manahaky zay gny sasy aminareo. Fa voadio nareo, nahamasiny nareo, sady voamary tamy Ndragnahary nareo tamy agnara gny Tompo Jesosy Kristy ndraiky tamy Fagnahy Ndragnaharintsika.12''Gny raha iaby laha ara-dily amiko,'' fa tsy gny raha iaby ro mahasoa. ''Gny raha iaby laha ara-dily amiko,' fa tsy ho andevoziny raiky amireo aho. 13''Gny hany laha ho agny sarotso, sady gny sarotso natao ho agny hany,'' fa Ndragnahary laha tsy ampisy andreo roa. Gny vata laha tsy natao ho agny fijangajanga. Fa koa, gny vata laha natao ho agny Tompo, sady gny Tompo laha hagnome ho agny vata.14Ndragnahary laha fa nananga gny Tompo sady hananga antsika amy tanjakiny koa. 15Moa tsy hainareo va fa gny vatanareo laha ratsa gny vatan'i Kristy? Ka ho andesiko va zany reo ratsam-batan'i Kristy sady hanambatsy azy amy mpivarotsy tena?Tsy hisy anie izany!16Moa tsy hainareo va fa gnazy mitambatsy amy mpivarotsy tena laha manjary nogo raiky aminy? Manahaky gny voasafa gny Soratsy Masina hoe: ''Ho nofo raiky avao reo roa.'' 17Fa i gnzy mitambatsy amy Tomo laha manjary raiky Aminy.18Hialao gny fijangajanga! Gny fahota iaby hafa gnazy atao gny olo laha hafa gny tena, fa gny olo mpijangajanga laha manota ho amy tenany avao.19Moa va tsy hainareo fa gny vatanareo laha tempoly gny Fagnahy Masina, gnazy mipetraky agnatinareo, gnazy azonareo baka amy Ndragnahary? Moa tsy hainareo va fa tsy anareo gny tenanareo. 20Roho zay laha mankalaza an-Dragnahary amy tenanareo. Noho izany dia mankalazà an' Andriamanitra amin'ny tenanareo. [Fanamariha: Ireo dika-teny taloha sasany dia mivaky toy izao hoe: "Noho izany mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo sy amin'ny fanahinareo, izay an' Andriamanitra." Fa ny dika-teny tsara indrindra dia tsy mivaky toa an'io.]

Chapter 7

1Sady mahakaiky reo olana nosoratanareo mahakasiky gny hoe: ''Soa ho agny johary gny tsy mikasiky ampela.'' 2Nefa roho reo fakam-pagnahy amy fahavetaveta maro isankarazany, laha tokony hana gny valiny manoka iaby gny johary kirairaiky, sady gny ampela kirairaiky laha tokony hagna gny valiny manoka iaby.3Gny johary laha tokony hagnome reo lily amy fagnambalia hoa agny valiny, sady manahaky zay koa gny ampela ho agny valiny. 4Tsy gny ampela ro mana fahefa amy vatany manoka, fa gny valiny. Manahaky zay koa, tsy gny johary ro mana fahefa amy vatany manoka fa gny valiny ro mana.5Ka mifanakasaka nareo kirairaiky, afa-tsy amy fifanara nifanaova sady amy fotoa voafily. Atoavo zay hafanareo manoka tena amy vavaky. Bakeo laha tokony hiaraky hatory ndraiky nareo, mba tsy hafan'ny Satana mangala fagnahy anareo roho gny tsy fagnananareo fifeheza tena. 6Kanefa zaho laha mivola reo raha reo aminareo am-pahaiza fa tsy lily. 7Iriako gny olo iaby ho manahaky ahy. Fa gny kirairaiky laha samy mana gny fagnomeza fahasoavany manoka baka amy Ndragnahary. Gny raiky mana ito kara fanomeza fahasoava ito, sady gny raiky hafa mana karazany hafa koa.8Ho andreo gnazy tsy manambaly ndraiky reo mpitondratena laha mivola aho fa soa ho andreo laha mijano tsy manambaly reo, manahaky ahy.9 Kanefa reo laha tsy afaky mamehy tena, laha tokony hanambaly. Fotony soa mare ho andreo gny manambaly toy zay ampirehitin'ny fitadiava araky gny nofo.10Sady ho andreo manambaly lahaily zao aho - tsy zaho, fa gny Tompo - gny ampela laha tsy tokony hisaraky amy valiny - sady gny johary laha tsy tokony hisaraky amy valiny. 11(fa laha oatsy ka misaraky amy valiny, laha tokony hijano tsy hanambaly na koa mimpoly mihava amy valiny) - sady gny johary laha tsy tokony hisaraaky amy valiny.12Fa ho ho agny sisa laha mivola aho - zaho, fa tsy gny Tompo - hoe laha misy lehy raiky mana valy tsy mpino, sady mahafaly azy gny miaraky miay aminy, laha tsy tokony hisaraky amy valiny i. 13Laha gny ampela raiky ro mana valy tsy mpino, sady laha mahafaly azy gny miaraky miay aminy, laha tsy tokony hisaraky amy valiny i. 14Fotony gny johary tsy mpino laha natoka roho gny amy valiny, sady gny ampela tsy mpino laha natoka roho amy lehiny. Fa laha tsy zay laha haloto gny agnakinareo, nefa laha gny laha fa voatoka reo.15Fa laha gny valy tsy kristiana ro magnenga, ambelao i andeha. Amy raha manahaky zao, rahalahy na gny rahavavy laha tsy voafatotsy ndreo voadindreo. Ndragnahary laha nikaiky antsika mba hiay ampiadana. 16Fa amy fomba manao akory ro hahaizanao, ampela, laha hoavotsinao gny valinao? Na amy fomba manao akory ro hahaizanao, johary, laha hoavotsinao gny valinao?17Fa ambelao avao gny kirairaiky iaby iay gny fiaina gnazy fa nanondroa gny Tompo azy, sady araky gny fa nikaia Ndragnahary azy. Io ro lily amy fiangona iaby.18 Fa tapaky va gny olo raiky lafa nakea mba hino? I laha tsy tokony hiezaky gny hiseoseo manahaky gny tsy mbo tapaky. Tsay tapaky va gny olo raiky lafa nakea ho amy finoa? tsy tokony ho tapay i. 19Fotony tsy gny fanapa na gny tsy fanapa rao raha bevata. Gny raha bevata laha gny fanaraha reo lily Ndragnahary.20Ny kirairaiky iaby laha tokony hijano amy fikaia gnazy nisy azy lafa nakea Ndragnahry mba hino i.21 Adevo va iha fony Ndragnahary nikaiky anao? Ka manay gny any zay. Fa laha mety ho afaky iha, laha araraoty zay. 22Fotony gny olo raiky gnazy nakea gny Tompo ho andevo laha olo afaky gny Tompo. Manahaky zay koa gny olo gnazy afaky fony i nakea mba hino laha andevon'i Kristy. 23Nareo laha voafily, roho zay laha ka avy manahaky reo andevon'olo.24 Nao lehy reo, ndra ino ndra ino fiaina nisy antsika kirairaiky fony tsika nakea mba hino, laha ao tsika hijano hanahaky zay.25Sady mikasiky reo gnazy tsy mambaly mihitsy, zaho laha tsy mana lily baka amy Tompo. Nefa zaho laha manome gny hevitsiko manahaky gny raiky zay, baka amy famindrapo gny Tompo, laha azo itokisa soa. 26Roho zay, mieritseritsy aho fa noho gny loza gnazy ho avy, laha soa ho agny johary gny mijano amy maha i azy.27Voafatotsy amy ampela va nareo? Ka mila gny ho afaky aminy. Afaky amy valinao va iha? Ka mila valy. Nefa laha nambaly nareo, laha tsy naota.28 Laha gny ampela tsy manambaly ro mambaly, laha tsy nanota i. Nefa reo gnazy manambaly laha hana karazan' ola maro laha mbo velo, sady zaho laha te hangala anareo amy zay.29Fa zao ro volaniko, nao lehy eo: Kelikely gny fotoa. Manomboky zao, aleo reo gnazy fa manambaly iay hanahaky gny tsy mana. 30Reo gnazy mitomany laha tokony hanao hanahaky gny tsy mitomany, reo gnazy mifaly hanahaky gny tsy mifaly, 31sady reo gnazy mivily hanahaky gny tsy mana ndra ino ndra ino; sady reo gnazy zay mampiasa agny tany iaby zao laha tsy tokony hao manahaky gny mampiasa agn'izay tanteraky. Fotony tany iaby zao amy endriky enaniky zao laha hoavy amy fiafara.32Tiako nareo ho afaky amy reo tebiteby. Gny johary tsy manambaly laha mitebibety gny amy reo raha gny Tompo, gny amy fomba hampifalia Azy.33 Fa gny johary manambaly laha mitebiteby gny amy raha gny tany iaby zao, gny amy fomba hampifalia gny valiny - 34mizarazara i. Gny ampela tsy manambaly na virijiny laha mitebiteby gny amy raha gny Tompo, gny amy fomba hanokana amy tena ndraiky gny fagnahy. Fa gny ampela manambaly laha mitebiteby gny amy raha gny tany iaby zao, gny amy fomba hampifalia gny valiny.35Volaniko zay ho agny tombotsoanareo manoka, fa tsy hametraky gnazy iaby sakatsaka aminareo. Mivola agn'izay aho roho gnazy mary, amy zay nareo mba hanolotsy tena agny Tompo tsy misy fanelingelena.36Nefa laha misy olo raiky mihevitsy fa tsy manday gny fofom-basiny ampanaja - laha mihoatsy gny tao gny fanambalia gny ampela sady tsy maintsy manahaky zay - laha tokony hanao zay tiany i. Tsy manota i. Tokony hivaly reo. 37Nefa laha nikasa soa tam-pony i, laha ohatsy ka tsy ambany faneriterea fa afaky mamehy gny sitrapony manoka, sady laha nanapaky hevitsy tampony i gny anao agn'izay, mba hitazoma gny fofombadiny ho virijiny, laha soa gny ataony. 38Ka zay manambaly gny fofombadiny laha manao gny soa, sady gnazy misafily gny tsy hambaly laha gny soa mare aza.39Gny ampela laha voafatotsy gny valiny laha mbo velo gny johary. Fa laha maty gny valiny, laha malalaky soa i gny hanambaly gnazy tiany ho avalia, nefa amy Tompo avao. 40Nefa amy fitsarako laha tokony ho faly kokoa i laha miay amy zao avao. Sady ampoliko fa zaho ko laha mana gny Fagnahy Ndragnahary.
Chapter 8

1Sady mahakasiky gny hany atao soro ho agny sampy-Haintsika fa: ''Tsika iaby laha manam-pahaiza.'' Gny fahaiza mamieboebo, fa gny fitiava mananga. 2Laha misy olo raiky mihevitsy gny tenany fa mahatana raha, laha mbo tsy mahay araky gnazy tokony hahaizany gnazy olo zay. 3Fa laha misy olo raiky tai an-Dragnahary, laha hainy gnazy olo zay.4Laha gny mahakasiky gny fihinana hany natao soro ho agny sampy-laha haintsika fa ''gny sampy amy tany iaby zao laha tsinontsino'' sady ''fa tsy misy Ndragnahary laha tsy raiy avao.'' 5Fa mety misy reo somary akea ho ndragnahary, na agny andanitsy na antany eto, manahaky gny amaroa ndreo ''ndragnahary'' ndraiky gny hamaroa ndreo ''tompo''. 6Fa ho antsika, ''Raiky avao ro Ndragnahary laha gnazy Baba, gnazy baka amy raha iaby, sady I ro antony hivelomantsika, sady raiky ro Tompo Jesosy Kristy, gnazy baka aminy ro nisia gny raha ibay, sady baka aminy ro nisiantsika.''7Na izay aza, zay fahaiza zay laha mbo tsy amy kirairaiky. Fa koa, gny sasany taloha laha nanao gny fagnompoa samoy, laha nihina gnazy ahy zay manahaky gny hoe raha natao soro go agny sampy. Roho zay laha simba gny fieritseretandreo fotony malemy zay.8Fa tsy gny hany ro hanolotsy antsika amy Ndragnahary. Fa tsy raty mare tsika laha tsy nihina, na koa hoe soa mare laha mihina agny zay. 9Tandremo mba tsy gny fahaizanareo ro antony hahavy reo olo malemy am-pinoa ho toy. 10Fa ataovo manahaky gny hoe misy mahita iaha, gnazy manampahaiza, mihina gny ahny amy tempoly gny sampy. Tsy gny fahaleme gny eritseritsiny va ro nasakiany hihina gnazy namaa ho agny sampy?11Ka roho gny fahaizanareo gny toetsy marina mahakasiky gny sampy, laha very gnazy lehy malemy finoa raiky, gnazy nahafatesan'i Kristy. 12Roho zay, lafa manota amy rahalahy nareo ka manimba gny saindreo, laha manota manitsy agny Kristy nareo. 13Roho zay, laha gny hany ro mahavy gny lehiko ho toy, laha sty hihina hena sasy aho, mba tsy baka amiko ro halavo gny lehiko.

Chapter 9

1Tsy holo afaky va zaho? Tsy apostoly va zaho? Tsy nahita agny Jesosy Tompotsika va zaho? Tsy asako amy Tompo va nareo? 2Laha tsy apostoly ho agny hafa aho, laha farafaratsiny Apostoly ho anareo. Fa nareo ro porofo amy maha-apostoly ahy amy Tompo.3Zao ro fiarovako amy nareo gnazy manontany ahy: 4Moa va zahay tsy mahazo alala gny hihina ndraiky hisotro?5 Moa va zahay tsy mahazo manday valy gnazy mpino, manahaky gny atao ndreo apostoly sasany, ndraiky reo lehy gny Tompo, sady Kefasy? 6Sa Barnabasy ndraiky zaho ro tsy maintsy miasa?7Iha ro manao fanompoa miaramila amy fandaniany raiky? Iha ro mamboly voaloboky sady tsy mihina gny vokatsiny? Na iha ro miamby aosy ka tsy misotro gny ronono baka amy zay? 8Moa va zaho mivola raha reo mifototsy amy fahefa gny olombelo? Tsy mivola agny zay koa va gny lily?9Fa zay laha voasoratsy amy lilin'i Mosesy hoe: ''Ka asia fehy vava gny omby lafa mamoa i.'' Tena itadiava omby tokoa va ro hiaian-Dragnahary? 10Tsy miresaky mahakasiky anay va i? Fa nosorata ho antsika, fa gnazy miasa tany laha tokony hiasa amy fanantena, sady gnazy mamango laha tokony hamango amy fanantena gny handramby anjara amy vokatsy. 11Laha namboly raha ara-pagnahy taminareo zahay, moa maro loatsy va gny mahazo raha araky fitaova fiasa baka aminareo?12Laha mampiatra agny zay zo zay amindreo hafa, moa va zahay mana mioatsy? Na taha zay aza, tsy nitaky agn'izay zo zay zahay. Fa koa, naleonay niaritsy gny raha iaby toy zay ho sakana ho agny filazantsaran'i Kristy. 13Moa va tsy hainareo fa reo gnazy mpanompo amy tempoly laha mahazo gny haindreo baka amy Tempoly? Sady moa va tsy hainareo fa reo gnazy mpanompo amy alitara laha mahazo anjara amt gnazy natao fanomeza tamy Alitara?14 Manahaky zay koa, gny Tompo laha nandily fa reo gnazy mitory gny filazantsara laha tokony hahazo gny fivelomandreo baka amy filazantsara.15Nefa tsy nitaky gny raiky tamindreo zo reo aho. Sady tsy manoratsy agny zao aho mba mety hisy raha hatao ho ahy. Aleoko maty toy zay hisy olo hangala amiko agny zay iaby zay. 16Fa laha mitory gny filazantsara aho, lahaa tsy misy antony tokony ieboeboako, fotony tsy maintsy manao agny zay aho. Sady losa ho ahy laha tsy mitory gny filazantsara aho!17Fa laha manao agny zay amy sitrapo aho, laha mana valsoa. Fa laha tsy amy sitrapo koa, laa mbo mana gny andraikitsy gnazy nambela tamiko aho.18 Ino zany ro valisoako? Zay lafa mitory aho, laha afaky monome gny filazantsara tsy misy fandoavambola ka mba ts hampiasa tanteraky gny zoko amy filazantsara.19Fa na taha afaky amy iaby aza aho, laha avy ho mpanompo ho agny iaby, mba hahazaoako maromaro kokoa. 20Tamy Jiosy laha lasa manahaky Jiosy aho, mba hazaoako gny Jiosy. Tmindreo gnazy ambany lily, lasa manahaky gny olo gnazy ambany gny lily aho mba hazaoako reo gnazy ambany lily. Nanao agny zay aho na tsy tambany lily aza gny tenako.21Tamindreo gnazy tsy tagnaty lily, laha nanjary manahaky gny olo ambadiky gny lily aho, na tahatsy ambadiky gny lily Ndragnahary aza gny tenako, fa ambany lilin'i Kristy. Nanao agny zay aho mba hazaoako reo gnazy reo ambany lily.22 Tamindreo malemy laha lasa malemy aho, mba hazaoako reo malemy. Nanjary raha iaby ho agn'olo iaby ao, mba hamonjeko gny sasany amy fomba iaby. 23Mnao gny raha iaby aho ho agny filazantsara, mba hafako mandramby anjaa amindreo fitahian'izay.24Moa va tsy hainareo fa amy filomaindaisa raiky gny mpilomay iaby laha manao gny filomaisa, nefa raiky avao ro mahazo gny loka? Ka milmaisa mba hahazo gny loka. 25Ny atileta raiky laha manao gny fifehezantenany amy fanazaraterany iaby. Manao agny zay eo mba handramby satroky vonignahitsy gnazy mety simba, kanefa koa tsika milomay mba azaoantsika satroky vonignahitsy tsy mety simba.26 Ka roho zay laha tsy milomay amy tsy misy dikany aho na manao komondro amy rivotsy.27 Fa feheziko gny tenako sady ataoko andevo, mba tsy ho lavy gny tenako, lafa baka nitory tamy hafa aho.
Chapter 10

1Tiako ho hainareo, lehy reo, fa reo babtsika laha tambany raho iaby sady namakivaky gny riaky.2 Gny iaby laha natao batisa ho amy Mosesy tamy raho ndraiky tamy riaky,3 sady gny iaby laha samy nihina ahim-pagnahy mitovy.4 Gny iaby laha nino ranom-pagnahy mitovy. Fa reo laha nisotro tamy vatolampim-pagnahy gnazy nanaraky andreo, laha Kristy gnazy vatolampy zay.5Fa Ndragahary laha tsy nanenky soa gny akamaroandreo, sady gny fatindreo laha naparitaky tagny efitsy. 6Enaniky zao reny raha reny laha ohatsy ho antsika, mba tsy haniriantsika raha raty manahaky gny nitadiavindreo.7Ka manomo sampy, manahaky gny sasany tamindreo. Zay laha manahaky gny voasoratsy hoe: ''Reo olo nipetraky mba hihina ndraiky hino, sady nitsanga mba hihisa.''8 A mba tsika tsy hijangajanga, manahaky gny natao gny maro tamindreo. Tagnaty gny raiky andro, laha olo telo arivo ndraiky roa aly ro maty roho gny amy zay.9Ao koa tsika tsy hitsapa agny Kristy, manahaky gny natao gny maro tamindreo ka naringandreo menarana.10 Ka mimenomeno avao ko, manahaky gny natao gny maro tamindreo ka naringa gny anjely gny fahafatesa.11Sady reny aha reny ro nisy tamindreo mba ho ohatsy ho antsika. Nosorata mba ho fampianara antsika reny- ho amintsika gnazy niavian gny fara gny andro.12 Roho zay ao zay mieritseritsy gny tenany ho fa mitsanga soa mba tsy ho lavo.13 Tsy nisy fakam-pagnahy nahazo anzreo gnazy tsy itovia gny olombelo iaby. Fa koa, Ndragnahary laha mahatoky. Tsy hagnenga anareo ho alay fagnahy mihoatsy gnazy zakanareo I. Miaraky amy fakam-pagnahy laha hanome gny lala handosira avao koa I, mba hafanareo miaritsy agny zay.14Roho zay, ry tiako, milomaisa lavisty gny fanompoa sampy.15 Mivola aminareo manahaky gny olo mana aay aho, mba hafanareo mitsara gnazy volaniko.16 Gny kapoaky gny fisaora gnazy isaorantsika, moa vazay tsy fitambara amy lion'i Kristy? Gny mofo gnazy vakiatsika, moa va zay tsy fitambara amy vatan'i Kristy?17 Fotony raiky avao gny mofo, tsika gnazy maro laha vata raiky. Tsika iaby laha mandramby amy mofo raiky avao.18Jereo reo vaoaky Israely: moa va reo gnazy mihina reo fanomeza tsy mpandramba anjara amy alitara?19 Ino zay ro hoambarako? Hoe tsy misy dikany va zany gny sampy? Sa gny hany gnazy atao fanomeza tamy sampy ro tsy misy dikany.20Fa miresaky mahakasiky gny raha gnazy ataondreo Jentikisa mpanompo sampy fanomeza aho, fa omendreo andreo demonia reny raha rey fa tsy an-Drragnahary. Tsy tiako nareo ho mpitambatsy amy demonia! 21Tsy afaky misotro gny kapoaky gny Tompo ndraiky gny kapoaky gny demonia nareo. Tsy afaky mitambatsy amy latabatsy gny Tompo ndraiky gny demonia nareo.22 Sa manao zay maha saropoiaro gny Tompo va tsika? Matanjaky roho Iva tsika?23''Gny raha iaby laha ara-dily,'' fa tsy gny raha iaby ro mahasoa.'' Gny raha iaby laha ara-dily,'' fa tsy gny raha iaby ro mampanddroso gny 24olo. Tsy misy tokony hialy gny tombotsoany manoka. Fa koa, ny kirairaiky laha tokony hila gny tombotsoa gny namany.25Afaky mihina gnazy iaby avily abazary engy nareo, fa ka ka manontany gny fieritrereta. 26Fa ''Agny Tompo gny tany, ndraiky gnazy iaby misy aminy iaby eo.''27 Laha misy tsy mpino manasa anareo hihina, ka magniry gny handeha nareo, laha hano zay iaby mipetraky aminareo laha ka mametraky fanontania gny amy fieritrereta.28Fa laha misy mivola aminao hoe: ''Ty hany ty laha baka amy fanomeza gny mpanompo sampy,'' laha ka mihina agny zay. Zay laha ho agny mahay anareo, ndraiky ho agny fieritrereta. 29Tsy miteny aho hoe gny fieritreretanao raiky, fa gny fieritrereta gny olo hafa. Manino gny fahafako ro tokony ho tsaray gny fieritrereta gny hafa? 30Laha mandramby anjara amy sakafo ampanenkea aho, manino ro volambolany amy nanomezako fisaora?31Roho zay, ndra mihina ndra misotro nareo, ndra ino ndra ino ataonareo, laha ataovo ho vonignaitsy Ndragnahary iaby. 32Ka manome alaelo gny Jiosy na Grika, na gny fiangona Ndragnahary. 33Miezaky gny hafaly gny olo iaby amy aha iaby aho. Tsy mila gny tombotsoako aho, fa gny agny maro. Ataoko zay mba ho voavonjy reo.
Chapter 11

1Angalao tahaky aho, manahaky ahy mpangala tahaky agny Kristy. 2Sady midera anareo aho fotony mahatiaro ahy amy raha iaby nareo. Midera anareo aho fotony mitazo mare gny fomba araky gnazy nanomezako azy tamy nareo nareo. 3Sady tiako ho azonareo fa Kristy ro loha gny johary iaby, fa gny lahy ro loha gny ampela, sady Ndragnahary ro lohan'i Kristy. 4Sady mangala vonignaitsy gny lohany reo johary gnazy mivavaky na maminany ka misaro loha.5Fa mangala vonignaitsy gny lohany reo ampela gnazy mivavaky na maminany tsy misaro loha. Fa tsy hafa sady mitovy amy hoe ampela misarona gny lohany zay. 6Fa laha tsy misaro loha gny ampela, laha tokony tapahy ho boribory gny volony. Laha mahamenatsy gny ampela gny amanapaky gny volony na gny manaratsy gny lohany, laha ao i hisaro gny lohany.7Fa tsy tokony hisaro gny lohany gny johary, fotony i ro sary ndraiky voniganitsy Ndragnahary. Fa gny ampela laha vonignaitsy gny johary. 8Fa gny johary laha natao baka tamy ampela. Fa koa, gny ampela ro natao baka tamy johary.9Fa tsy misy johay noforony ho agny ampela. Fa koa, gny ampela ro noforony ho agny johary. 10Zay ro tokony hanagna gny ampela gny mariky gny fahefa amy lohany, roho reo anjely.11Na izay aza, amy Tompo, tsy mahazaka tena amy johary gny ampela, na gny johary mahazaka tena amy ampela.12 Fa laha baka amy johary gny ampela, laha gny johary koa laha baka amy ampela. Sady baka amy Ndragnahary gny raha iaby.13Tsarao gny tenanareo: Mety amy ampela va gny mivavaky amy Ndragnahary tsy misaro loha? 14Tsy gny natiora mihitsy va ro nampianatsy anareo fa laha gny johary ro lava volo, laha fahafambaraka ho azy zay?15 Tsy mampinatsy anreo va gny natiora fa laha gny ampela ro lava volo, laha vonignaitsy ho azy zay? 16Fa namea azy gny volony mba hisaroma azy. Fa laha misy te hialy hevitsy amy zay, laha tsy mana ohatsy hafa zahay, ndra reo fiangona Ndragnahary.17Fa agnaty reo toro lily magnaraky, laha tsy midera anareo aho. Fa lafa miaraky avy nareo, laha tsy ho amy soa zay fa ho amy raty mare. 18Fa tamy voalohany mare, laha reko fa lafa miaraky mivory amy fiangona nareo, laha misy fizarazara aminareo, sady mino zay amy fagnahy ahi. 19Fa tsy maintsy misy fitokotokoa aminareo, mba hanenkea aminareo reo gnazy nenkea.20Fa laha mivory nareo, laha tsy gny Fanasa gny Tompo ro hoaninareo. 21Lafa mihina nareo, laha samy mihina gny haininy raiky avao gny kirairaiky aloany hinanany hafa. Mosary gny raiky, sady gny hafa lasa mamo. 22Tsy mana trano inana ndraiky hinoma va nareo? Hataonareo tsisy dikany va gny fiangona Ndragnahary ka hambanianareo gnazy tsy mana ndra ino ndra ino? Ino ro tokony ho volaniko aminareo? Tokony hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amy zay aho!23Fa nirambesiko baka amy Tompo avao koa gnazy ampitako anareo, fa Jesosy Tompo, tamy aliky gnazy namitaha Azy, laha nangala mofo. 24Lafa nisaotsy I, laha nanapaky agny zay sady nivola hoe: ''Inty gny vatako, gnazy ho anareo. Ataovo zao ho fahatsiarova Ahy.''25Mitovy amy zay koa laha nirambesiny gny kapoaky lafa naka nihina hariva, sady nivola I hoe: ''Inty kapoaky intiky ro fanenkea vaovao amy rioko. Ataovo zao ndra ombia ndra ombia nareo ro mino, ho fahatsiarova Ahy.'' 26Amy fotoa iaby gnazy hinananareo intiky mofo intiky ndraiky hisotroanareo amy kapoaky ty, laha manambara gny fahafatesa gny Tompo mandrapiaviany nareo.27Ndra iha ndra iha, roho zay, mihina gny mofo na mino amy kapoaky gny Tompo amy fomba tsy mety, laha ho elofa gny amy vata ndraiky gny lio gny Tompo. 28Ao mba handiniky gny tenany aloha gny olo, sady amy zay laha ao hihina gny mofo sady hino amy kapoaky i. 29Fa i gnazy mihina ndraiky mino ka ts mahay gny vatany, laha mihina ndraiky mino fitsara ho agny tenany. 30Zay ro mahavy gny maro aminareo halaelo ndraiky marary, sady gny sasany aminareo ho maty.31Fa laha mandiniky tena tsika, laha tsy ho tsaray. 32Fa lafa voatsara gny Tompo tsika, laha mpanara-dily, mba tsy ho voaeloky miaraky amy tany iaby zao.33Roho zay, lehy reo, lafa mivory mba hihina nareo, laha mifampiambesa. 34Laha misy olo raiky mosary, ao i hihina agny antrano, amy zay lafa mivory nareo laha tsy ho amy fitsara zay. Sady mahakasiky reo raha hafa gnazy nosoratanareo, laha hanome toro-dily aho lafa avy.

Chapter 12

1Mahakasiky reo fanomezam-pagnahy, nao lehy reo, laha tsy tiako tsy hahay nareo. 2Ainareo fa fony nareo mpanompo sampy, laha voaodiky tamindreo sampy tsy mana feo nareo, tamy lala iaby nitaritandreo anareo. 3Roho zay tiako ho ainareo fa tsy misy olo gnazy mivola amy Fagnahy Ndragnahary afaky mivola hoe: ''Jesosy laha voaozo.'' Tsy misy afaky mivola hoe: "Jesosy laha Tompo,'' laha tsy baka amy Fagnahy Masina.4Sady misy fanomezam-pagnahy tsy mitovy, fa Fagnahy mitovy avao koa. 5Misy fanomoa tsy mitovy, fa Tompo mitovy avao koa; 6sady misy karazagn'asa tsy mitovy, fa Ndragnahary mitovy avao koa ro manao andreo ho azo atao amy kirairaiky.7Sady ho agny kirairaiky gny fanatoroa ivelany gny Fagnahy ho agny tombotsoa gny iaby.8 Fa ho agny olo raiky laha namea baka amy Fagnahy gny safa gny fahihira, sady ho agny raiky hafa gny safa gny fahaiza baka amy Fagnahy mitovy avao koa.9Ho agny raiky laha namea gny finoa baka amy Fagnahy mitovy, sady ho agny raiky hafa reo fanomeza-pagnahy hajanga baka amy Fagnahy raiky. Ho agny raiky hafa laha namea reo asa gny tanjaky, sady agny raiky hafa faminania. 10Ho agny raiky hafa laha nameha gny fahafaha manavay safa samihafa, sady ho agny raiky hafa gny fandikan-tsafa.11 Fa gny Fagnahy raiky ndraiky mitovy avao ro miasa amy gnazy iaby zay, manome reo fanomezam-pagnahy ho agny olo kirairaiky iaby, araky gny nifiliany.12Fa fotony gny vata laha raiky sady mana ratsa maro sady gny iaby laha ratsa gnazy vata avao, roho zay laha miaraky amy Kristy zay. 13Fa baka tamy Fagnahy raiky ro nanaova batisa antsika iaby ho vata raiky, ndra reo Jiosy ndra reo Grika, ndra voafatotsy ndra afaky, sady gny iaby laha natao mba hisotro amy Fagnahy raiky.14Fa gny vata laha tsy ratsa toka, fa maro. 15Laha mivola gny tomoky hoe: ''Fotony tsy tana aho, laha tsy ratsa amy vata aho,'' zay laha tsy kelikely amy ratsa amy vata koa. 16Sady laha gny sofy ro mivola hoe: ''Fotony tsy maso aho, laha tsy ratsa amy vata aho,'' zay laha tsy kelikely amy ratsa gny vata koa.17 Laha maso gny vata iaby, laha ho aia gny fandresea? Laha sofy gny vata iaby, laha hi aia gny fahareza fofo?18Fa Ndragnahary nandamy gny ratsa gny vata kirairaiky araky gny nanaovany agny zay.19 Laha ratsa mitovy avao i iaby, aia ro hisy gny vata?20 Ka zao laha ratsa maro reo, fa vata raiky avao.21Gny maso tsy afaky mivola amy tagna hoe: ''Tsy misy ilako anao.'' Ndra gny loha tsy hivola amy tomboky hoe: ''Tsy misy ilako anao.'' 22Fa reo ratsa amy vata gnazy hita ho malemy mare laha tena tadiavy, 23sady reo ratsa gny vata gnazy ataontsika fa tsy misy dikany, laha misy dikany bevata mare reo, sady reo ratsa tsika tsy fanoro laha misy dikany loatsy. 24Sady gny ratsa tsika fanoro laha tsy mila andesy amy fahamendrea, fa reo laha fa mana fahamendrea. Fa Ndragnahary nampitambatsy gny ratsa iaby miaraky, sady I nanome dikany mare agny reo gnazy tsy ampy zay.25Nanao agny zay I mba tsy hisy fisaraha amy vata, fa mba hifampikarakara amy fitiava mitovy reo ratsa.26 Roho zay lafa mijaly gny ratsa raiky, laha miaraky mijaly reo ratsa iaby; na lafa asia dikany gny ratsa raiky, laha miaraky faly gny ratsa iaby. 27Sady nareo laha vatan'i Kristy say ratsa amy zay gny kiriraiky.28sady Ndragnahary nanondro tamy fiangona reo apostoly aloha, faharoa reo mpaminany, fahatelo reo mpampianatsy, bakeo reo gnazy manao asa maha tseriky, bakeo reo fanomezam-pahasoava hanajanga, reo gnazy manome fanampia, reo gnazy manao gny asa gny fandaisa raharaha, sady reo gnazy mana kara fiteny samihafa. 29Apostoly va reo iaby? Mpaminany iaby va? Mpampianatsy iaby va? Manao asa maha tseriky iaby va gny iaby?30Mana fanomezam-pagnahy hanajanga va i iaby? Mivola amy fiteny tsy hay va reo iaby? Mandika safa va reo iaby? 31Tadiavo isandro reo fanomezam-pagnahy bevata mare. Fa manoro anareo lala soa mare ao.
Chapter 13

1Na taha atao hoe mivola amy fivolandreo olo ndraiky ro anjely aza aho. Fa laha tsy mana fitiava, laha avy maneno na kipantso mikaratsam-peo aho. 2Na laha atao hoe mna fanomeza gny faminania sady mahay reo misitery ndraiku fahaiza iaby aza aho, sady mana gny finoa iaby afaha mamindra reo vohitsy. Fa laha tsy manam-pitiava, laha tsinontsino aho. 3Na laha atao hoe manome gnazy raha agnanako hamahana gny mahantra aza aho, sady manome gny tenako ho doroy. Fa laha tsy manam-pitiava, laha tsy mahazo ndra ino ndra ino aho. [Fanamariha: Ny ULB sy ny UDB dia samy manana dikan-teny maro, mivaky toy izao hoe: "Homeko mba ho dorana ny tenako." Ny dikan-teny sasany kosa dia mivaky hoe: "Homeko ny tenako mba ho reharehako."]4Gny fitiava laha mahari-po sady soa fagnahy. Gny fitiava laha tsy magniry na mieboebo. Tsy miavo 5na manao gnazy tsy mahamendriky. Tsy tia tena. Tsy malaky masiaky, na mitanisa fahadisoa. 6Tsy faly amy tsy fahamarina. Fa koa, mifaly amy fahamarina. 7Gny fitiava laha mandefitsy gny raha iaby, mino gny raha iaby, matoky gny raha iaby, sady miaritsy gny raha iaby.8Tsy ho tapitsy mandrakizay gny fitiava. Laha misy faminania, laha ho levy reo. Laha misy fivolana amy safa tsy hay, hitsara reo. Laha misy fahaiza, laha ho levy zay.9 Fa tsika laha mahay amy sasany sady maminany amy sasany. 10Fa lafa avy gnazy tena soa, laha ho levy gnazy tsy ao soa.11Fony mbo zaza aho, laha niresaky manahaky gny zaza, nieritseritsy manahaky gny zaza, nisay manahaky gny zaza. Lafa bevata aho, laha nambelako gny fahazaza. 12Fa enaniky zao tsika laha mahita tsy mivanta amy fitaratsy, fa amy zay laha ifagnatriky vata. Enaniky zao aho laha mahay amy sasany, fa bako aho laha hahay iaby manahaky gny nahaiza ay iaby. 13Fa enaniky zao laha reto telo reto ro misy: gny finoa, gny fanantena mandrakizay, sady gny fitiava. Fa gny bevata mare amindreo laha gny fitiava.

Chapter 14

1Mitadiava fitiava sady magnana zotom-po amindreo fanomezam-pagnahy, ndrindra amy haminaniareo.2 Fa gnazy mivola amy fiteny tsy hay laha tsy miresaky amy olo fa amy Ndragnahary. Fa tsy misy mahazo azy fotony miresaky raha mivony amy Fagnahy i. 3Fa gnazy maminany laha miresaky amy olo mba ho andamina andreo, hampirisia andro, sady fampionona andreo. 4Gnazy mivola amy fiteny tsy hay laha mametraky gny tenany, fa gnazy maminany laha mananga fiangona.5Enaniky zao laha maniry anareo iaby hivola amy fiteny tsy hay aho. Fa mbo mihoatsy roho zay aza, maniry Aho gny haminanianareo. Gnazy maminany laha bevata mare roho zay mivola amy fiteny tsy hay (raha tsy hoe misy olona iray mandika teny ka mba mety hiorenan'ny fiangonana). 6Fa enaniky zao, lehy reo, laha avy aminareo amy fiteny tsy hay aho, ino ro tombotsoa omeko anareo amy zay? Tsy afaky aho, laha tsy hoe miresaky aminareo amy fanambara, na fahaiza, na faminania, na fampianara.7Laha mamoaky feo reo raha maneno tsy manan'ay—manahaky gny sodina na lokanga—sady tsy mamoaky lantom-peo samihafa reo, manao akory ro hahaiza gny olo gnazy melodia aboaky gny sodina na gny lokanga? 8Fa laha manao feo hafahafa gny tompetra, manao akory ro hahaiza gny olo lafa fotoa hiomana amy gny aly? 9Ka manahaky zay koa gny aminareo. Laha tsy mazava gny sada aboaky gny vavanareo, manao akory ro hahaiza gny olo gny volaninareo? Hivola nareo, sady tsy hisy hahazo anareo.10Misy fiteny maro samihafa amy zao tany iaby zo, sady tsy misy amy reny ro tsy misy dikany. 11Fa laha tsy mahay gny dika gny safa raiky aho, laha ho vahiny amy zay mivola, sady mivola ho vahiny amiko.12Manahaky zay avao koa gny aminareo. Fotony maniry fatsatsy gny fihetseha gny Fagnahy nareo, laha magnana zotom-po mba hiroborobo amy fanorena gny fiangona. 13Roho zay gnazy mivola amy fiteny tsy hay laha tokony hivavaky mba hafany mandika teny. 14Fa laha mivavaky amy fiteny tsy hay Aho, laha mivavaky gny fagnahiko, fa gny saiko tsy mamoa.15Ino ro tokony ataoko? Hivavaky amy Fagnahiko aho, fa hivavaky amy saiko avao koa. Hihira miaraky amy Fagnahiko aho, sady hihira miaraky amy saiko avao koa. 16Lafa tsy zay, laha midera an-Dragnahary miaraky amy Fagnahy nareo, manao akory ro hivolana gny vahiny hoe ''Amena'' lafa manome fisaora iha laha oatsy ka tsy hainy gnazy volaninao.17Fa iha laha tena manome fisaora soa avao, fa gny olo hafa tsy miory. 18Misaotsy an-Dragnahary aho fa mivola amy fiteny tsy hay mioatsy roho nareo iaby. 19Fa ampiangona laha aleoko mivola teny dimy araky gny fazaoako mba hafako mampianatsy reo hafa, manahaky gnazy mivola ray aly amy fiteny tsy hay.20Nao lehy reo, ka mba zaza amy fihevitsy nareo. Fa koa, laha amy raty, laha manaova manahaky gny zaza. Fa amy fihevitsy nareo laha ao ho matotsy nareo. 21Ao amy lily laha voasoratsy hoe: ''Baka amy olo hafa safa ndraiky baka amy somy gny vahiny laha hiresaky amy reto olo reto aho. Na taha tsy hare Ahy aza reo,'' hoasa gny Tompo.22Roho zay reo fiteny tsy hay laha famantara, tsy amy reo mpino, fa amy reo tsy mpino. Fa gny faminania koa laha ho famantara, tsy ho andreo tsy mpino, fa ho andreo mpino. 23Roho zay, laha oatsy ka, miaraky mivory gny fiangona iaby sady mivola amy fivola tsy hay iaby, sady militsy reo vahiny ndraiky tsy mpino, tsy ho volanindreo fa adala va nareo?24Fa laha naminany iaby nareo iaby ka nisy tsy mpino na vahiny nilitsy, laha ho resy lahatsy amy zay iaby reny i. Ho tsaray baka amy zay raha voavola i.25 Ho ambara gny tsiambaratelo ampony. Vokatr'izy, handoaliky i sady hidera an-Dragnahary. Hanambara i fa tena amy nareo eo Ndragnahary.26Ino zany ro manaraky, lehy reo? Lafa tafiaraky nareo, gny kirairaiky laha mana salamo, fampianara, fanambara, fiteny tsy hay, na fandikan-teny. Ataovo gny raha iaby mba hanamboara nareo fiangona. 27Laha misy mivola amy fiteny tsy hay, ambelao hisy roa na farafamarony telo eo, sady mandeha kirairaiky, bakeo laha tokony hisy raiky handika gny teny gnazy voavola. 28Fa laha tsy misy mpandika teny, ambelao gny kirairaiky amindreo hitazo fahangina ampiangona. Ambelao gny kirairaiky hiresaky amy tenany ndraiky amy Ndragnahary.29Ambelao gny mpaminany ro na telo, sady ambelao reo hafa hijanjy amy fahaiza manavaky gny voavola. 30Fa laha misy fahita omea gnazy mipetraky amy fanompoa, ambelao hantsitsiny gnazy raiky mivola.31Fa gny kirairaiky aminareo laha afaky mifandimby maminany mba hafany kirairaiky mianatsy sady mba hatanjaky gny iaby. 32 Fa gny fagnahindreo mpaminany laha ambony fanara maso ndreo mpaminany. 33Fa Ndragnahary laha tsy Ndragnahary gny fikorotana, fa gny fiadana. Zay ro fitsipiky ho andreo fiangona ndreo mpino iaby.34Gny ampela laha tokony hitazo fahangina ampiangona. Fotony tsy mahazo alala hivola reo. Fa koa, tokony hanenky reo, manahaky gny ambara gny lily. 35Laha misy iriandreo hianara, avelao hanontany gny valiny antrano reo. Fa mahamenatsy ho agny ampela gny mivola ampiangona. 36Baka aminareo va ro niaviany safa Ndragnahary? Nareo raiky va ro voakasikin'izay?37Laha misy mieritseritsy gny tenany ho mpaminany na amy fagnahy, laha tokony hanenky i fa reo raha gnazy soratako aminareo laha lily gny Tompo. 38Fa laha misy tsy manenky agny zay, laha aleo i tsy henkea. [Fanamariha: Ny ankamaroan'ny dikan-teny, ao anatin'izany ny ULB sy UDB, dia mamaky hoe: "Fa raha misy tsy manaiky izany, dia aoka tsy ho ekena izy." Ny dikan-teny sasany taloha manao hoe: "Fa raha misy tsy mahalala izany, dia aoka izy tsy hahalala izany."]39Ka amy zay, lehy reo, maniria fatsatsy gny haminany, sady ka mandrara ndra iha ndra iha hivola amy fiteny tsy hay. 40Fa ambelao gny raha iaby atao araky gny tokony ho i ndraiky ampilamina.
Chapter 15

1Enaniky zao mampahatiaro anareo aho, lehy reo, gny amy filazantsara gnazy nambarako taminareo, gnazy nirambesinareo ndraiky gnazy itsangananareo. 2Baka amy zay filazantsara zay ro hanavota anareo, laha mitazo mare amy gny safa nitoriako taminareo nareo, laha tsy hoe ninonino fatany.3Fa nameako raha bevata voaloany ho anareo gnazy voarambiko avao koa: fa maty ho agny fahotantsika Kristy araky gny Soratsy Masina, 4sady nalevy I, sady I laha natsanga tamy maty tamy andro fahatelo araky gny Soratsy Masina.5Kristy laha niseho tany Kefasy, sady bakeo tamindreo roa amby gny folo;6 baka eo laha niseho ndraiky mandeha tamindreo lehy mihoatsy gny dimanjato I. Mbo velo gny akamaroa ndreo reo, fa gny sasany laha maty. 7Bakeo I niseho tamy Jakoba, bakeo tamindreo apostoly iaby.8Farany mare, laha niseho tamiko I, manahaky gny hoe tamy zaza teraky tsy tsy tonga volana. 9Fa zaho ro kelikely aminireo apostoly. Zaho tsy mendiky gny akea hoe apostoly fotony nania gny fiangona Ndragnahary aho.10Fa roho gny fahasoava Ndragnahary ro naha zao ahy, sady tsy rava gny fahasoavany amiko ato. Fa koa, niasa mare roho reo iaby aho. Nefa tsy zaho zay, fa gny fahasoava Ndragnahary gnazy amiko. 11Roho zay na zaho na reo, araky gny nitorianay laha araky zay ninoanareo.12Enaniky zao laha nambara fa Kristy laha natsanga tamy maty, manao akory ro hafaha gny sasany aminareo mivola fa tsy misy fitsangana amy maty? 13Nefa laha tsy misy gny fitsangana amy maty, laha tsy natsanga koa Kristy;14 sady laha tsy natsanga Kristy, laha rava gny fitorianay, sady rava koa gny finoanareo.15Ka, laha hita ho vavolombelo diso mahakasiky an-Dragnahary zahay fotony nitsanga vavolombelo nohitsy an-Dragnahary, nivola hoe natsangany Kristy lafa tsy nanao agny zay i. 16Laha tsy natsanga gny maty, laha na Kritsy aza tsy natsanga; 17sady laha tsy natsanga Kristy, laha rava gny finoanareo sady laha mbo amy fahota nareo.18Sady gnazy maty amy Kristy laha fa very avao koa. 19Laha amy fiaina ty avao koa ro anagnantsika fahatokisa amy hoavy amy Kristy, laha tsika ro mampalahelo mare amy olo iaby.20Fa enaniky zao fa natsanga tamy maty Kristy, gnazy voaloany vokatsy ndreo gnazy maty.21 Fa fotony baka amy olo raiky gny fahafatesa, laha baka amy olo raiky avao koa ro niavia gny fitsangana amy maty.22Fa manahaky gny nahafatesa gny iaby tamy Adama, laha ho velomy amy Kristy avao koa gny iaby.23 Kanefa samy amy filaharany manoka gny kirairaiky: Kristy, gnazy voalohany vokatsy, sady baka eo reo gnazy agny Kristy laha hatao velo amy farany.24Bakeo laha ho avy gny farany, lafa hamean'i Kristy ho an-Dragnahary Baba gny fanjaka. Zay laha lafa tsy hampisy gny lily iaby ndraiky gny fahefa iaby sady gny tanjaky I. 25Fa tsy maintsy manjaka I mandra-pametrahany gny fahavalony iaby ambany tombokiny. 26Gny fahavalo farany ho haringa laha gny fahafatesa.27Fa ''Napetrakiny tambany tombokony iaby gny raha iaby.'' Fa nambara: ''I ro nametraky gny raha iaby,'' laha mazava soa fa tsy tafilitsy agnatign'izay gnazy raiky nametra gny raha iaby haenky gny tenany.28 Lafa manenky Azy gny raha iaby, laha gny Agnaky mihintsy ro hanenky gnazy raiky nampanenky gny raha iaby ho Azy. Hiseo zay mba iaby ho amy iaby gny Ndragnahary Baba.29Na koa ino ro ialy reo gnazy vita batisa ho agny maty? Laha tsy natsanga mihitsy gny maty, manao akory reo ro natao batisa ho andreo?30 Manao akory zany, tsika ro ambava gny loza isandera.31Magnatriky fahafatesa isanandro aho! Zay laha azo antoky manahaky gny fieboeboako gny aminareo, gnazy azoko amy Kristy Jesosy Tompotsika. 32Ino ro tombony azoko, baka amy fomba manenty gny olombelo, laha niady tamin'ny biby tao Efesosy aho, laha tsy natsangana gny maty? "Ao tsika hihina ndraiky hisotro fotony ho faty tsika hamaray."33Ka mety ho fitaha hoe: ''Manimba say soa gny mana raty.''34 Mandiniha! Miay ampamarina! Ka manoy manota! Fa gny sasany aminareo laha tsy mana fahaiza an-Dragnahary. Mivolana agn'izay amy fahamenaranareo aho.35Fa gny olo hivola hoe: ''Manao akory nanangana gny maty, sady amy karazam-bata ino ro hiaviandreo?" 36Tsy mahay ndra ino ndra ino nareo! Gnazy ambolenareo laha tsy hanomboly hitombo laha tsy maty zay.37Gnazy nambolenareo laha tsy gny vata gnazy ho avy, fa voa avao. Zay laha mety ho lasa vary na raha hafa. 38Fa home Ndragnahary azy gny vata araky gnazy filiany, sady amy vatany iaby gny voa kirairaiky. 39Tsy gny nofo iaby ro mitovy. Fa koa, raiky gny nofon' olombelo, laha hafa gny nofondreo biby, sady nofo hafa gny andreo voro, sady hafa gny agny hazandrano.40Misy avao koa reo vata agny andanitsy ndraiky reo vata an-tany eto. Fa karaza raiky avao gny vonignaitsy gny vata agny andanitsy sady hafa gny vonignaitsy gny antany eto. 41Raiky gny vonignaitsy gny masoansro, sady hafa gny vonignaitsy gny volana, sady vonignaitsy hafa gny andreo kintana. Fa gny kintana raiky miavaky amy kintana raiky hafa amy vonignaitsy.42Manahaky zay koa gny fitsangana amy maty. Gnazy ambolea laha mety simba, sady gnazy atsanga laha tsy mety simba. Ambolea tamy fafambaraka zay; laha natsanga ambonignaitsy. 43Ambolea tamy fahalemea zay; laha natsanga amy tanjaky. 44Ambolea amy vata voajagnahary zay; laha atsanga ho vata ara-pagnahy. Laha misy vata voajagnahary, laha misy vata ara-pagnahy avao koa.45Sady fa voasotratsy avao koa fa: ''Lasa fagnahy velo Adama gnazy johary voalohany'' gnazy Adama farany laha nanjary fagnahy manome fiaina. 46Fa tsy ara-pagnahy ro avy voalohany fa gny voajagnahary, sady bakeo gny ara-pagnahy.47Gny olo voaloany laha baka amy tany, namboary tamy vovoky. Gny olo faharoa laha baka agny andanitsy. 48Manahaky gnazy raiky namboary tamy vovoky, manahaky zay koa gnazy olo agny andanitsy, sady manahaky zay avao koa reo gnazy baka agny andanitsy. 49Manahaky gny nandaisantsika gny tareny gnazy olo gny vovoky, laha handay gny tare gny olo gny lanitsy avao koa isika.50Sady zao ro ambarako, lehy reo, fa gny nofo amy lio laha tsy afaky gny handova gny fanjaka Ndragnahary. Na gnazy nety simba handova gnazy tsy mety simba. 51Intoy! Raha marina mivony ro ho ambarako anareo hoe: Tsy ho maty iaby tsika iaby, fa hoavay iaby tsika iaby.52Hiova tsika amy fotoa raiky, agnaty gny fotoa tsy hita, amy trompetra farany. Haneno gny trompetra, sady reo maty laha hitsanga ho tsy mety lo, sady laha hovay tsika. 53Fa ty vata mety simba ty laha tsy maintsy hitafy izay tsy mety lo, sady ity vata mety maty ity laha tsy maintsy hitafy gny tsy fahafatesa.54 lafa manao gny tsy mety simba ty vata mety simba, sady lafa manao gny tsy fahafatesa ty gny vata mety maty ty, laha ho avy amy gnazy safa gnazy voasoratsy hoe, ''Voately tamy fandresea gny fahafatesa.''55 ''Nao fahafatesa, aia gny fandresenao? Nao fahafatesa, aia gny fitsoboanao?''56Gny fahota fitsoboa gny fahafatesa, sady gny tanjaky gny fahota laha gny lily. 57Fa isaora Ndragnahary, gnazy manome antsika gny fandresea baka amy Jesosy Kristy Tompotsika.58Roho zay, lehy tiako reo, mifatora soa mare sady ka miozongozo. Miroboroboa fatsatsy amy asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maiky gny asanareo amy Tompo.

Chapter 16

1Sady mahakasiky gny fanangona volo ho andreo mpino, araky gny nanoroako lala gny fiangonan'i Galatia, laha manahaky zay koa ro tokony ataonareo. 2Amy gny andro voaloa gny herinandro, laha tokony hanoka raha gny kirairaiky aminareo sady hampiry agny zay araky gnazy vitanareo. Manaova agny zay mba tsy hisia gny fampirima vola lafa avy aho.3Lafa avy aho, ndra iha ndra iha enkenareo, laha alefako miaraky amy taratasy mba hanomezako gny fanomezanareo ho agny Jerosalema.4 Laha oatsy ka mety amiko avao koa gny mandeha, laha handeha hiaraky amiko reo.5Fa ho avy aminareo aho lafa mandalo agny Makedonia. Fa handalo agny Makedonia aho. 6Mety afaky hijano miaraky aminareo aho na agnaty gny raiky ririny mihintsy aza, mba hafanareo manampy ahy amy liako, ndra aia ndra aia andehanako.7Fa tsy maniry gny hahita anareo agnaty gny fotoa kelikely aho zao. Fa manantena gny hipetraky ela miaraky aminareo, laha ambela gny Tompo. 8Fa hijano ao Efesaosy aho mandraha iavia gny Pantekosta, 9fa varavara malalaky ro nisokatsy ho ahy, sady misy fahavalo maro.10Sady lafa avy Timoty, laha ezaho mba tsy hataotsy i miaraky aminareo, fa manao gny asa gny Tompo i, manahaky gny ataoko. 11Ka asia olo hisy anao tsinontsino azy. Ampio i baka amy fiadana, mba hafany mandeha amiko. Fa manantena azy mba ho avy hiaraky aminareo lehy aho. 12Sady mahakasiky angy Apolosy lehintsika, laha nampirisiky azy mare aho mba hamangy anareo miaraky amindreo lehy. Fa mbo tsy vonona tanteraky i lafa mety gny fotoa. Na izany aza, ho tonga izy rehefa mety ny fotoana.13Miambena, mitsangana soa amy finoa, miasa manahaky gny johary, mahereza. 14Ao ho atao ampitiava gnazy ataonareo iaby.15Ainareo gny longnon'i Stefanasy, fa i reo ro niova fo voaloany ta-Asia, sady i reo nametraky gny tenandreo ho amy fanompoa reo mpino. Sady nampirisiky andreo aho, lehy reo, 16mba hanenky gny olo manahaky zay ndraiky amy olo iaby gnazy manampy amy asa ndraiky miasa miaraky aminay.17Mifaly amy fiavian'i Stefanasy, Fortinatasy, ndraiky Akaiosy aho. Nanome gny tsy nateo anreo reo.18 Fa namelombelo gny fagnahiko ndraiky gny anareo reo. Ka roho zay, atao ay gny olo manahaky zay.19Reo fiangonan'i Asia laha manao veloma anareo. Akila ndraiky Pritsila laha manao veloma anareo amy Tompo, miaraky amy fiangona gnazy amy tranondreo.20 Gny lehy iaby manao veloma anareo. Mifanaova veloma amy oroky masina.21Zaho, Paoly, manoratsy ty amy tanako. 22Laha misy olo tsy tia gny Tompo, lonoky mba ho voaozo i. Ho avy, gny Tompotsika! 23Ho aminareo le gny fahasoava gny Jesosy Tompo. 24Ho aminareo iaby gny fitiavako amy Jesosy Kristy. [Fanamariha: Ny dikan-teny taloha dia manampy hoe: "Amena." Fa ny vaovao maro hafa, ao anatin'izany ny ULB sy ny UDB, dia manala izany.]

2 Corinthians

Chapter 1

1Paoly, Apostoly raiky gny Jesosy tamy gny sitrapon-Dragnahary, sy Timoty rahalahintsika, ho agny ny fiangona Ndragnahary zay ao amy ny Korinto, sady ho agny reo mpino iaby manera gny faritry Akaia. 2Ho amy gnareo gny fahasoava sy ny fiadana baka amy Ndragnahary Babantsika sy Tompo Jesosy Kristy.3Ho deray agne Andriagnanahary sy Baba gny Tompontsika Jesosy Kristy. I ro Baba gny Famindram-po sy Andriamanitry ny fampionona iaby. 4Ndragnahary dia mampiono antsika amy gny fahoriantsika iaby, ka mba hahafahantsika mampiono reo zay ao agnaty fahoria. Ntsika ro mampiono reo hafa manahaky gny fampionona gnazy nampiasan'Andriamanitry ampionona antsika.5Fa manahaky ny hitimboa gny fiajalia ny Kristy noho ny aminay, no hitoboa gny fampionona anay koa amy gny alala gn'i Kristy. 6Ka laha nampahoria zahay, izay ho agny gny fampionona sy famonjea agnareo. Sady laha nampionony zahay, izay ho agny ny fampionona anareo. Ny fampionona ro mandaitry lafa manam-pahareta hizara reo fijalia zay mitovy amy gny fijalianay koa. 7Fa fahatokisanay momba agnareo fa azao antoky, satria zahay ro mahay fa gnareo koa mizara reo fijalia, gnareo koa mizara fampionona.8Fa tsy tianay nareo tsy ahay, ry rahalahy, gny amy gnareo gny olana nahazo anay tagny Asia. Zahay novesary mihoatry amign'izay tokony ho zakanay, maro loatry ka tsy nanantena hiaigna ela tokoa zahay. 9Teo aminay vatany gny fagnameloha ho faty. Fa zay nahavy anay tsy hametraky gnty tokinay eo amigny tegnanay avao fa amy Ndragnahary zay mampitsanga ny maty. 10Nagnavotry anay tamy ny loza mahafaty manahaky an'izay I, sady mbo hagnavotry ndraiky. Zahay mbo mametraky gny tohiny taminy fa mbo hagnafaky anay ndraiky I.11I hanao agny zay satria nareo manampy anay amy gny alala ny vavaky gnareo. Sady maro bakeo gny hagnome fisaora amy ny anaranay noho gny tombo mpahasoava nomea anay tamy ny alalan'ireo vavaky maro.12Zahay mirehareha amy zao: fijoroa vavolombelo gny amy ny feo ny fieritseretanay. Fa tamy ny fikasa malio voho fahatsotram-po zay baka amy Ndragnahary zay nanday ny vatanay ao amy zao tontolo zao. Zahay nahavita raha iaby zay sady anakabeazany niaraky taminareo__tsy tamy ny fahendrea ny zao tontolo zao, fa tamy ny fahasoava Ndragnahary. 13Zahay tsy nanoratsy raha tsy ho voavavaky na tsy ho azonareo. Zaho manantena fa, 14satria gnareo nahazo ny momba anay amy ny ampahany, zahay ro ho antony rehareha gnareo amy ny andro ny Tompontsika Jesosy, manahaky anareo ho antony hireharehanay.15Satria natoky ny momba izay zaho, ka te ho agny aminareo aloha, mba hahafahanareo mahazo tombony amy ny fisafoha roa. 16Nioma ny hisafa agnareo lafa safa amy ny alalako ho any Makedonia zaho. Bakeo mbo nagniry ny hisafa agnareo ndraiky zaho tamy diako baka any Makedonia, sady mbo hanatera gnareo ahy amy ny liako ho agny Jodia bakeo.17Lafa nieritreritry manahaky anizao zaho, nisalasala va zaho? Nanoma reo raha reo araky gny nofo va zaho, mba ivolanako "Eka, eka" voho "Tsia, tsia" amigny andro raiky avao? 18Fa satria Ndragnahary matoky, antsika tsy afaky gny hivola na "Eka " na "Tsia."19Fa gny anak'Andriagnanahary, Jesosy Kristy, zay nitorian'i Sylvanosy, Timoty sy zaho taminareo, dia tsy "Eny " na "Tsia." Fa I nisafa avao hoe "Eny." 20Satria gny fampanantenagn'Andriagnanahary iaby dia "Eny" iaby ao aminy. Ka amy ny alalany koa tsika hisafa hoe "Amena" ho agn'ny voninahitry Ndragnahary.21Andriagnanahary zay mampatandraky anay aminareo ao amy ny Kristy sady I nagniraky antsika . 22I nagnisy tombokase tamintsika sady nanome gny Fanahy ho ao am-pontsika ho antok'izay mbo ho amemy antsika lafa afara ao.23Fa nikaiky an'Andriagnanahary zaho, hitsaga vavolombelo ho ahy zay antony tsy niaviako tao Korinto mba hamindrako fo amignareo. 24Izay tsy sanatria noho zahay miezaky gny mamehy zay tokony ho finoanareo. Kanefa, zahay miara miasa aminareo amy ny fisinisinianareo, satria gnareo mijoro ao amigny finoanareo.
Chapter 2

1Fa nanapa-kevitry gny tsy hagnato anareo indraiky ny vatategnako amy ny andro mpangirifiria. 2Laha niteraky alahelo amignareo zao, ia ro afaky mampisinisiny aminakay ankoatry ny raiky zay nofereko avao?3Nanoratry zago manahaky ny nataoko mba tsy ho voaferin'ireo zay tokony mampisinisiny ahy lafa avy agny aminareo. Izaho mana-fahatokisa gny aminareo iaby fa gny fisinisiniako, fisinisinia mitovy aminareo iaby. 4Fa nanoratry ho anareo zaho baka aminy fahoria bevata, miaraky amy ny fangirifiria ny fo, sady miaraky amy ny ranomaso be. Tsy te ampalahelo anareo zaho, fa koa, te hampahay anareo ny alaliky ny fitiava zay agnanako ho anareo.5Laha nisy olo niteraky alahelo, tsy niteraky agny zay tamiko raiky avao I, fa amigny endriky hafa. Tsy hagnitara agny zay aminareo iaby. 6Ampy ny fanasazia nataony maro an'isa io olo io. 7Ka henaniky zao laha tokony ho faganasazia, gnareo tokony hamela heloky voho hampiogno azay. Ataovo zay raha zay mba tsy handipatry azy amy ny alahelo maro loatry.8Noho zay mankahery anareo zaho mba hampatandraky ampahibe maso ny fitiavanareo azy. 9Izay ro antony nanoratako amy ny raha iaby aminareo mba hitsapako agnareo ary ahalalako na mankatoa amy raha iaby agnareo.10Laha mamela olo nareo, mamela agny olo zay koa zaho. Izay nengako__laha manenga ny raha iaby zaho__zay famelan-keloky zay ro fitiava anareo amy ny fanatrehan'i Kristy. 11Zay ro mba tsy hamitaha ny satana anay. Satria zahay ro mahay reo drafiny.12Nisokatry ho ahy ny varavara tamy ny Tompo lafa avy tao amy ny tana be agn'i Troasy nivola ny fanambara soa agn'i Kristy tagny. 13Na izay aza tsy nana fiadanantsay zaho, satria tsy nahita gny rahalahiko Titosy tagny. Ka noho zay, nagnenga andreo zaho sady nandeha nimpoly tagny Makedonia.14Fa fisaora ho an-Dragnanahary zay amin'i Kristy mitariky anay mandrakariva ao amy ny fandresea. Amy ny alala baka amintsika ro hanamparitaha ndre aia ndre aia ny hanitry mamy amy ny fahaiza azy. 15Fa zahay ro hagnitry mamin'i Kristy an-Dragnahary na teo amy reo zay novonjeny voho teo amy reo zay ho maty.16Ho an'olo zay ho maty, zay ro hagnitsy baka amy ny fahafatesa. Ho agn'ireo sasany zay voavoanjy, dia hagnitsy baka amy ny fiaina ao amy ny fiaina. Ia ro mendriky amign'ireo raha reo? 17Fa zahay tsy mitovy amign'ireo olo maro zay mivarotry gny safa Ndragnanahary mba ahazoany tombony. Fa koa amy ny fahadiovam-po ro hiresahanay amin'i Kristy satria nalefa baka amy Ndragnahary zahay, tao amy fahitan'Andriagnanahary.
Chapter 3

1Hanomboky hisinisiny am-batanay ndraiky va zahay? Zahay tsy mila taratasy fanamaria aminareo na baka aminareo, kara olo sasany, sa tsy zay? 2Ny vatanareo ro taratasy fanamarianay, zay voasoratry ao am-pontsika, zay hay sady akian'olo iaby. 3Nareo manoro fa taratasy fagnambara baka amign'i Kristy, zay nomentsika. Izay no tsy voasoratry tamy ny ranomainty fa tamy ny Fanahin-Dragnahary velo. Izay no tsy voasoratry teo amy ny takela bato, fa teo amy ny takelaky ny fo ny olombelo.4Zay ro toky ananantsika eo anatrehan'Andriagnanahary amy ny alalan'i Kristy. 5Ntsika tsy mahefa amy ny vatategnantsika mba handramby ndre ino ndre ino baka amintsika, fa koa, gny fahefantsika baka amin'Andriagnanahary. 6Andriagnanahary nanao antsika mba ho mpanompo gny fanekea vaovao. Izay ro fanekea tsy baka amy ny soratry fa nagny ny Fanahy. Fa ny soratry mahafaty, sady ny Fanahy magnome haveloma.7Fa ny asa zay niteraky fahafatesa ro voasoratry tagnabony vato__ka niavy tamy ny voninahitry bevata ny vahoaky Israely ka tsy afaky nijery ny vatan'i Mosesy. Zay dia noho ny voninahitry ny vatany, ny voninahitry zay nihalevo. 8Ho vonihatry bevata manao akory ny asa atao ny Fanahy?9Fa laha nana vonihatry ny asa ny fanameloha, dia ho nanao akory ny fitomboa ny voninahitry ny asa ny fahamarina! 10Satria tokoa, nomea voninahitry indraiky mandeha dia tsy hanambonianhhitry sasy, noho ny voninahitry zay mampitombo azy. 11Fa laha zay mandalo avao ro mana voninahitry, tsy hana voninahitry mandilatry agny zay va zay mahaliny!12Satria mana toky mitovy any zay ntsika laha mahasaky tokoa. 13Ntsika tsy raha mitovy agn'i Mosesy zay nitako ny sorakiny tamy ny voaly, mba tsy hahafaha ny fokonolon'Israely mijery azy mivanta amy ny fiafara ny voninahitry zay mandalo avao.14Fa ny saindreo ro donto. Ndre hatry henanikizao io voaly io mbo mitoboky eo amy ny fanekea taloha. Tsy mivoha io satria ao amin'i Kristy ro alay. 15Nefa na henanaiky zao, na ombia na ombiaro amakia ny lalanan'i Mosesy, ka mbo manako ny fo ndreo ny voaly. 16Nefa laha mitoliky amy ny Tompo ny olo, dia alay ny voaly.17Sady ny Tompo ro Fanahy. Zay misy ny Fanahy ny Tompo, ro misy ny fahafaha. 18Ntsika iaby tsy misarom-boaly mba hahita ny voninahitry ny Tompo. Ntsika fa voaova ho ao amy ny voninahitry mitovy zay baka amy ny voninahitry ho amy ny voninahitry, zay baka amy ny Tompo, tsy ia fa ny Fanahy.
Chapter 4

1Noho izay, satria zahay io ro mana ny asa fagnompoa izay, sady vo nahazo famindram-po, ka tsy kivy zahay. 2Fa koa, nandavanay ireo fomba mahamegnatsy voho navony. Tsy mivelo amy ny fitaky zahay, sady mampiasa raha marina ny safan-Driagnanahary. Amy ny fagnatoroa ny marina. Zahay ro mibaiko ny vatanay amy ny feo ny fieritsereta ny olo mba handesy eo imason'Andriagnanahary.3Fa laha voatako ny filazantsaranay, izay ho voatako amy ny zay maty avao. 4Amy ny raha mitranga amy ndrozy reo, ny Andriagnanahary zao raha iaby zao ro mahajiky ny say zay tsy mino an-dreo. Vokatry zay tsy afaky ny fahazava ny filazantsara ny voninahitry i Kristy ndreo, zay sorak'Andriagnanahary.5Fa zahay tsy manambara ny vatanay ,fa i Kristy Jesosy manahaky ny Tompo,sady ny vatanay manahaky ny mpanomponareo nnoho amin'i Jesosy. 6Fa Andriagnanahary dia gnazy raiky zay nivola hoe: "Ny fahazava hamiratry ao amy ny haiziky." I namiratry tao am-ponay mba hanome ny fahazava ny fahalala ny voninahitry Andriagnanahary eo amy ny fagnatrehan'i Jesosy Kristy.7Fa zahay mana harena zay ao anaty tavoara tany mpotaky, mba hazava ka ny hery bevata mihoatry lavitry dia nany Ndragnahary fa tsy gnanay. 8Ampahoria amy ny fomba maro zahay, fa tsy resy. Tsobo hevitry zahay fa tsy hatriky fahafoizam-po. 9Enjehy zahay fa tsy nenga. Vonoy zahay fa tsy rava. 10Manday eo amy ny vatanay ny fahafatesan'i Jesosy Kristy avao izahay, amin'izay ny fiainan'i Jesosy avao ro miseho eo amy ny vatanay.11Izahay zay velo dia manday avao amy ny vatanay ny fahafatesan'i Jesosy, amy zay ny fiainan'i Jesosy hiseho eo amy ny vatanay olombelo. 12Noho zay ny fahafatesa dia miasa ao amintsika fa ny fiaina miasa ao aminareo.13Fa zahay mana ny fanahy ny finoa mitovy araky zay voasoratry hoe: 14"Nino zaho, ka nisafa zaho." Mino avao koa zahay, sady nisafa avao koa zahay. Hainay fa raiky zay nananga ny Tompo Jesosy ro hananga antsika avao koa miaraky amin'i Jesosy. Hainay fa handay anay miaraky aminareo ao amy ny fagnatrehany I. 15Ny raha iaby dia ho anareo mba, araky ny fahasoava voaparitaky tamign'olo maro ro hitomboa ny fagnomezam-pisaora ao amy ny voninahitry Ndragnanahary.16Ka noho zay tsy ho kivy zahay, ndre malemy amonto aza zahay, ka havaozy isan'andro isan'andro ny ao anatinay. 17Fa amy zao andro henaniky zao, ny fahoria maiva manoma anay ho amy ny lanja ny voninahitry maharitry mandrakizay zay mihoatry ny lanjany ny raha iaby. 18Fa ntsika tsy mijery raha zay hita, fa reo raha tsy hita. Reo raha zay mety hitantsika ro tsy maharitry, fa reo raha zay tsy hita ro maharitry mandrakizay.
Chapter 5

1Haintsika fa laha vo rava ny fonena eto an-tany zay ipetrahantsika, dia mana-trano baka amin-Dragnahary ntsika. Zay no trano tsy natao ny olombelo, fa trano mandrakizay, any an-danitry. 2Fa eto amin'ity trano-lay ity ntsika ro mihay, magniry mare gny ahazo ny fipetrahantsika agny an-danitry. 3Maniry mare ntsika satria amy ny fanaovantsika agny zay de ho hita tsy misiky ntsika.4Fa laha mbo amy ny trano lay ty avao ntsika, dia mifoahy, mavesatry enta. Tsy te hita ntsika. Fa koa, te hisiky ntsika, mba ho ately ny fiaina zay mety maty. 5Gny raiky zay nanoma antsika ho amign'izay raha zay dia Andriagnanahary, zay nagnome ny fanahy ho fagnambara ho avy.6Noho zay dia matokisa avao. Tongava say fa lafa an-trano amy ny vata ntsika, de ho lavitry ny Tompo. 7Fa mandeha amy ny finoa avao ntsika fa tsy amy ny raha hita. 8Ka noho zay dia mana fatokissa ntsika. Aleontsika lavitry ny vata fa an-trano miaraky amy ny Tompo.9Ka ataontsika tanjona izay, na an-trano ntsika na alavitry, mba hampisinisiny Azy. 10Fa ntsika iaby tsy maintsy hiseho eo aloha ny seza fitsaran'i Kristy, mba mety ahazoa ny tsirairaiky ny mifanaraky azy amy ny raha vitany tao amy ny vata, na ho amy ny soa na ho amy ny raty.11Noho zay, ny fahafantara ny havozoa ny Tompo, no handresentsika lahatry ny olo. Ny maha ntsika antsika dia hita Ndragnahary mazava soa. Antenaiko fa mazava amy ny feo ny fieritreretanareo avao koa izay. 12Tsy miezaky ny handresy lahatry anareo zay mba hijery anay manahaky ny mahity fo. Fa koa manome antony ho anareo hisinisinia noho ny aminay zahay, mba hanananareo valin-tsafa ho agn'ireo zay misinisiny ny amy ny soraky amonto fa tsy ny amy ny zay ao am-po.13Fa laha tsobo-fihevera zahay, de ho an-Dragnahary zay, fa kaha avy fihevera soa zahay, dia ho anareo zay. 14Fa gny fitiavan'i Kristy ro manery anay, satria azonay antoky ny hoe: nisy olo raiky maty ho any olo iaby, ka noho zay dia maty ny raha iaby. 15 Maty I ho any raha iaby, mba tsy ho velo ho agny ny gnaindreo koa reo zay velo fa hoa Azy zay maty sady natsanga noho ny fitiava azy reo.16Noho zay antony zay, manomboka izao dia tsy mitsara na ia na ia araky ny fomban'olombelo ntsika, na dia fa nijery gn'i Kristy manahaky izay aza ntsika taloha. Fa henaniky zao isika dia tsy mitsara ntsika na ia na ia manahaky anizay koa. 17Noho zay, laha misy olo ao amin'i Kristy, dia olom-baovao I. Fa roso any raha iaby taloha. Reo, fa lasa vaovao I reo.18Reo raha iaby reo dia baka amy Ndragnanahary. Nampilongoany tamy ny Vatany tamy ny alalan'i Kristy ntsika, sady nomeny antsika ny asa fanompoa ny fampihavana. 19Izany hoe, ao amin'i Kristy Andriagnanahary no mampilongo izao tontolo zao amy ny tenany, tsy manisa ny fahadisoan'i reo amy ndreo. Nankininy taminay ny hafatry ny fampilongoa.20Voatondro ho mpisolo-vata agn'i Kristy zahay, toy ny hoe amy ny alalanay ro hanaova Ndragnahary ny kaikiny. Misoloho anareo zahay, noho i Kristy: "Milogoa amin'Andriagnanahary!" 21Nataony ho soro ho agny ny fahotantsika Kristy. I gnazy raiky zay tsy nagnota mihitsy. Nataony zay mba ho fahamaria an'Andriagnanahary ao amy ntsika
Chapter 6

1Miara-miasa aminy, izahay mamporisiky anareo tsy handramby ny fahasoavan'Andriagnanahary fahatany. 2Fa nisafa I hoe: "Tamy ny fotoa mety, nijanjy anareo Zaho, ary tamign'andro famonjea ro gnanampy anareo Zaho. Henteo, henaniky zao ro andro mety. Jereo, henaniky zao no andro ny famonjea. 3Tsy mametraky vato hiboka ndra alohan'ia ndre ia zahay, fa zahay tsy magniry ny haraty laza ny asa fanompoanay.4Fe koa, zahay ro manaporofo ny vatanay amy ny asanay iaby, fa mpanompon'Andriagnanahary zahay. Zahay ro mpanompony amy ny fahalinisa be, fahoria, fahaterea, fahasarota, 5reo vango, fanagadra, fikomia, amy ny asa mahery, amy ny aliky tsy miroro, amy ny hamosary, 6amy ny fahadiova, fahalala,fahareta, fahatsoram-po, amy ny Fanahy Masina, amy ny tena fitiava. 7Zahay ro mpanompony ao amy ny safa fahamarina, ao amy ny herin-Dragnahary. Zahay ro mana ny fiarova ny fahamarina ho agny ny tagna havana sy ny havia.8Zahay miasa amy ny vonihatry sy amy ny fahafam-baraka, amy ny fagnaratia sy ny fidera. Zahay ro asara ho mpamitaky kanefa zahay ro marina. 9Zahay miasa sahalan'ireny tsy misy mahay regny kanefa zahay ro malaza. Miasa la ho maty zahay, jereo fa mbo miay soa. Miasa zahay sahala ny voasazy noho ny asany kanefa tsy voasiaky ho maty. 10Zahay miasa sahala malahelo kanefa misinisiny lava. Zahay miasa sahala ny olo mahantra kanefa mampanan-karea olo maro zahay. Miasa manahaky ny tsy manan-draha na ino na ino zahay kanefa manahaky ny mana ny raha iaby.11Zahay misafa ny raha marina iaby taminareo, ry korintiana, sady ny fonay ro misokatry misagnasagna. 12Ny fonareo tsy nofehezinay, fa nareo ro namehy ny fihetreham-ponareo. 13Sady ho valiny ara-drariny, miresaky aminareo manahaky ny amy ny zaza zaho, sokafo hisagnasagna ny fonareo.14Ka mifamehy amign'ireo tsy mino. Fa ino ro iraisa ny fahamarina voho ny fandikan-dalana ? Fa ino ro iaraha ny mazava amy ny maiziky? 15Ino ro mety ho fifagnaraha eo amign'i Kristy voho Beliala? Na ino ro tokony anjara anana ny mpino raiky na ny tsy mpino? 16Sady ino ro fifanaraha misy eo amy ny tempolin-Dragnahary voho ny sampy? Fa tsika ro tempolin-Dragnahary velo, araky ny fa nivolanin-Dragnahary hoe: "Hipetraky eo aminareo Zaho sady handeha eo amin-dreo reo. Zaho no ho Andriagnanahary ndreo sady I reo ro ho oloko."17Noho zay, "Miboaha iala eo amy ndreo sady mitokana," hoy ny Tompo. "Ka mikasiky raha maloto, sady Zaho handramby anareo. 18Zaho ro ho Baba ho anareo, sady nareo ho agnako lahy sy ho agnako vavy," hoy ny Tompo Tsitoha.
Chapter 7

1Ry tiako, hatramin'ny nanantsika ireo safa fikasa, ndao ntsika mba hagnadio gny vatantsika amy raha iaby zay mahatonga fahalotoana amy vatanga sy fanahintsika. Ndao ntsika handiniky ny fahamarina amy ny fahatahora an'Andriagnanahary.2Rambeso zahay! Fa tsy nanao raty na taminia na taminia. Tsy nagnafery na nagnararaitry na ia na ia zahay. 3Tsy hanameloky anareo ro hisafanako zao. Fa nivolagniko fa ato am-ponay nareo, fa miaraky maty sady miaraky velo ntsika. 4Mana fahatokisa bevata aminareo zaho sady mieboebo noho ny amy nareo. Atriky fampionona zaho. Mitobatobaky ny fisinisiniako ndra eo aza ny fampijalia iaby.5Lafa niavy tagny Makedonia zahay, tsy hijanojano ny vatanay. Noho zay, mijaly tamy ny fomba iaby zahay noho ny fifamalia tagny ambaliky voho ny tahotry tanaty tao. 6Fa Andriagnanahary zay mpakahery ny kivy ro nampahery anay tamy ny fiavian'i Titosy. 7Tsy tamy ny fihaviany avao ro nampahereza Ndragnahary antsika. Fa tamy ny fampahereza zay norambesin'i Titosy baka aminareo. Misafa antsika I amy ny habe ny fitiavanareo, ny alahelonareo, sy ny fiahianareo ahy mare. Ka hisinisiny mandrakizay zaho.8Ndra mampalahelo anareo aza gny taratasiko, la tsy mampagneny ahy zay. Fa nanegny tamy zay aho lafa nampalahelo anareo gny taratasiko. Fa nalahelo tagnatiny fotoa kely nereo. 9Henaniky zao faly aho, tsy hoe satria mijaly nereo, satria gny alahelonereo nanday anareo tamy gny fisolohova. Nereo ro niay gny fahoria amin'Andriagnanahary ka tsy gnisy tsobo gny fijalianareo ho agnay. 10Gny fahoria ao amin'Andriagnanahary ro nanday anareo tamy gny fibebaha gny mba hatanteraha ny famonjea tsy misy fanegnena. Ndra zay aza, gny alahelon'izao tontolo izao, ro manday gny fahafatesa.11Henteo gny habevata gny herinareo tamy gny fahoria ao amin'Andriagnanahary. Bevata tokoa gny habe gny fiareta tao amy nereo mba hanaporofoa fa tsy manan-tsiny nereo. Bevata tokoa gny havinitrareo, gny fahavozoanereo, gny alahelonereo, gny zotom-ponereo sady gny fanirianareo hahita gny fahamarina zay tokony hatao! Gny raha iaby ro nanaporofo tamy gny vatanareo fa nareo tsy mba nasiaky tamin'izay raharaha zay. 12Ndra nanoratry taminareo aza Aho, zaho tsy nanoratsy ho an'ireo mpanao raty, na ho an'ireo zay mahaligny gny raty. Nanoratry aho mba hahaiza gny fahazotoanareo teo amignay eo agnilan'Andriagnanahary.13Tamy gny alala gny zay ro nampahereza anay. Mandilatry gny fampahereza zay fa ananagnay, nihoatry mare gny fisinisinia noho gny fisinisinian'i Titosy. Satria gny fanahiny no velombelo noho ny aminareo iaby. 14Laha raha nirehareha tamy gny momba anareo zaho, tsy mba niafa-baraka. Mifanohitry amy zay raha iaby nosafagninay taminareo gny tena marina iaby, gny fireharehanay momba anareo tamin'i Titosy ro voaporofo fa to.15Gny fitiavanay anereo ro bevata mare, manahaky gny nahatiarova gny fankatoavanareo iaby, Henteo moa gny fandraisanareo azy tamy gny tahotry sy hitikitiky. 16Misinisiny aho satria mana fahatokisa tamy nareo.
Chapter 8

1Tianay ho hainareo, ry rahalahy, gny momba gny fahasoavan'Andriagnanahary zay nomea tao amy reo fiangonan'i Makedonia. 2Nandritry gny fitsapa bevata tamy gny fahoria, gny fitompany gny hafalia voho gny tegna fahantrandreo ro niteraky harem-bevata gny fahalalan-tagna.3Satria mitsanga vavolombelo zaho fa nanao bevata araky zay vitandreo reo, sady mihoatry gny vitany aza. Sady tamy gny sitrapon-dreo manoka 4voho niaraky tamy gny fisolohoa mare ro nangatahan-dreo tamy gnay gny fahafaha mba hanana anjara amy ity asa fanompoa eo amy reo mpino ity. 5Tsy niseho araky zay nantenainay izay. Fa koa, nanolotry gny tagnany voalohamy tamy Andriagnanahary reo. Sady nanolo-bata ho anay reo tamy gny sitrapon'Andriagnanahary.6Ka namporisiky agn'i Titosy zahay, zay fa nanomboky agn'izay asa zay mba hagnantanteraky gny fahasoava eo amy nareo. 7Fa nareo oa manan-karena amy gny rha aiaby iaby, amy gny finoa, amy gny safa, amy gny fahaiza, amy gny fahazotoa iaby sady any gny fitiavanareo anay. Ka mba ataovo azo antoky mba hanan-karena amy zay asa fahasoava nareo. [Gny ULB sy ny UDB miaraky amy reo dikan-tsafa maro hafa, ka mivaky hoany zao: "Ao amy gny fitiavanao anay." Gny dikan-tsafa hafa koa mivaky hoany zao: "Ka ao amy gny fitiavanay nareo"]8Tsy misafa agny zay zaho sahala gny ho baiko, fa mivola koa zaho amy gny fitrapa gny fahamarinana gny fitiavanareo amy gny fampitaha agny zay zotom-po gny olo hafa. 9Satria hainareo gny fahasoava gny Tompontsika Jesosy Kristy. Ka na nanan-karena aza I, mbo nandrary mahantra noho nareo, ka amy gny alala gny fahantra ro mety ahazoanareo harena.10Amy zay safa zay ro hagnome hevitry anareo zaho zay hagnampy anareo. Tao raiky lasa zay, tsy nanomboky nanao raha nareo fa magniry mare gny hanao agny zay. 11Henaniky zao, vitao zay raha zay manahaky gny nisia gny zotom-po voho fagniria hanao agny zay, ka enga anie hagnatanteraky agny zay tokoa nareo, araky zay azo nareo hatao. 12Satria laha magniry mare gny hanao agny zay asa zay nareo, de raha soa sady azo ekea zay. Tsy maintsy mifototry amy zay gny hanana gny olo raiky zay, fa tsy zay tsy agnanany.13Fa zay asa zay ro tsy mba hagnamaiva gny hafa sady tsy hanahira anareo. Fa koa, tokony hisy gny rariny. 14Gny harenanareo henaniky zao ro hagnome zay ilaindreo amy zay koa mba hagnomeza gny harenan-dreo zay ilainareo. Voho agnomezan-dreo gny rariny. 15Araky zay fa voasoratry hoe: "Gnazy raiky zay gnanan-draha maro ro tsy gnana sisa, sady gnazy raiky gnanan-draha kelikely ro tsy hana gny tsy ampy."16Fa agn'Andriagnanahary gny fisaora, zay nametraky tao ampon'i Titosy gny fahendrea zay ananako amy nareo. 17Fa I tsy nagnaiky gny kaikintsika avao, fa laha matotry gny amy zay avao koa. Gnamojy anao tamy gny sitrapony manoka I.18Gnalefanay I miaraky tamy gnazy rahalahy zay noderay tao agnivo gny fiangona maro noho gny asany zay mitory gny safa soa. 19Tsy zay avao, fa mbo nofilign'ireo fiangona koa I mba handeha hiaraky amy nay handay agn'izao asa fahalalan-tagna zao. Izay ro ho agny voninahitr'i Tompo saho ho agny gny fanirianay hanampy.20Mitao zahay gny any gny mety hisia gny olo mitaray momba anay mahakasiky agn'io asa fahalala tagna zay hatao gnay io. 21Ka mila mitao zahay mba hanao gny mendriky, fa tsy eo aloha gny Tompo raiky avao, fa eo aloha gny olo koa.22Mandefa rahalahy raiky hafa koa zahay miaraky amindreo. Matetiky zahay ro nitrapa azy, sady nahita azy mafana fo amy gny asa maro. Mazoto tokoa I henaniky zao noho gny fahatokisa bevata zay agnanany aminareo. 23Laha gny amin'i Titosy, I ro namako voho mpiara-miasa amiko ho anareo. Laha gny amy gny rahalahinay, fa nalefagn'ireo fiangonan-dreo reo. Voninahitry ho agn'i Krsty rozy reo. 24Ka atoro andreo gny fitiavanareo, sady atoro amy gny fiangona gny antony hireharehanay momba anareo.
Chapter 9

1Mahakasiky gny asa fagnompoa ho agny gny mpino, tsy tena ilako gny manoratry ho anareo. 2Haiko gny momba gny fagnirianareo, zay ireharehako amy gny olon'i Makedonia. Novolagniko andreo fa Akaia ro fa vonona manomboky tamy gny tao lasa. Gny zotom-po nareo ro nanosiky gny ankamaroa gn'ireo hiasa.3Sady nirahiko gny rahalahy mba tsy ho raha fahatany avao gny fireharehantsika momba anareo sady mba ho vonona nareo araky gny fa nosafagniko taminareo. 4Laha tsy zay, laha misy Makedoniana maro miaraky amiko sady mahita anareo mbo tsy vonona, ho megnatry ntsika__tsy mivola ndra ino ndra ino gny momba nareo aho noho gny fahatokisa anareo. 5Ka mieritreritry zaho fa ilay gny mamporisiky agn'ireo rahalahy handehaagy aminao sady hanao fifanaraha aloha sandrany gnt amy gny fanomeza zay fa nampanantenainao. Izay ro afaha mivonona manahaky gny fitahia, fa tsy manahaky gny raha tsy azo ekea.6Gny tena izy: Gny raiky zay manely kely ro hijinja kely avao koa, fa gny raiky manely amy gny tanjom-pitahia ro hijinja fitahia avao koa. 7Engao gny tsiraikiraiky hanome araky zay fa norafetiny tao am-pony. Ka enga manome fahoria na faneriterea I. Fa gny mpanome am-pifalia ro tian'Adriagnanahary.8Sady Andriagnanahary ro afaky mampitombo gny fitahia ho anao, amy gny raha iaby iaby, afaky hahazo zay raha ilainareo iaby iaby isan'andro nareo. Zay gny raha misy mba afahanareo manatombo gny asa soa nareo. 9Zay ro araky gny voasoratry hoe: "Nozarainy reo hanana sady nanome azy reny ho agny gny mahantra. Mahiratry mandrakizay gny fahamarinany."10I gnazy manome voa ho agny gny mpamboly zay manely voho gny mofo ho agny hany ro hamatsy voho hampitombo ny voagnao amy famafazana. Hampitombo gny vokatry gny fahamarina I. 11Hahazo harena amy gny fomba maro iha mba hahavy anao ho malalaky tagna. Zay ro handay fagnatoroa fisaora an'Andriagnanahary amy gny alalanay.12Gny fahatanteraha io asa fagnompoa io tsy vita gny hoe mahahatriky gny rha ilay gny mpino avao. Mitombo avao koa zay amy gny asa fagnomeza fisaora an'Andriagnanahary maro. 13Fa noho gny fitrapa anareo voaporofo amy nio asa io, ro hagnomezanareo voninahitry an'Andriagnanahary amy gny fanekea gny fihabohanareo amy gny safa soan'i Kristy. Ka hanome voninahitry an'Andriagnanahary koa nareo amy gny fahalalan-tagnanareo amy gny fagnomeza ho andreo voho gny olo iaby. 14Magniry anao rozy reo, sady mivavaky ho anao koa reo. Ataon-dreo zay noho gny habevata gny fahasoavan'Andriagnanahary ao aminao. 15Ho an'Andriagnanahary anie gny saotry noho gny fagnomeza tsy hay volagny!
Chapter 10

1Zaho, Paoly, misoloho anareo gny vatako, amy gny fanetreha tena sy hamoram-panahin'i Kristy. Malemy fanahy aho lafa eo amy gny fanatreha nareo, nefa mahasaky gny amy nareo aho lafa tsy eo. 2Mangataky aminareo aho, lafa miaraky amy nareo aho, tsy mika mahasaky amy fahatokisan-tena. Nefa zaho mieritreritry fa mila mahasaky magnohitry reo zay mihevitry fa ntsika miay araky gny nofotry.3Fa na izay aza, mandeha araky gny nofotry zahay, tsy mialy araky gny nofotry. 4Fa gny fialia zay ialianay, tsy araky gny nofotry. Noho zay, mana hery baka agny andanitry reo mba hamoteha gny fanahy raty. Fa tsy manday ndra ino ndra ino gny hevi-pitaky ndreo.5Ho robatintsika koa reo raha bevata zay magnanga fanohera gny fahalala an'Andriagnanahary. Fa ntsika mihevitry gny hambabo gny tsiraikiraiky amy gny fagnenkea agn'i Kristy. 6Sady miomana ntsika amy gny sazy amy gny fihetriky tsy fagnekea iaby iaby, laha vatany vo tanteraky gny fagnekeanareo.7Jereo soa zay eo aloanareo. Fa na ia na ia ro resy lahatry fa I ro Kristy, ao mba hampatiaro gny vatany I fa I tokoa ro Kristy, manahaky agny zay koa ntsika. 8Eka fa na mieboebo kely avao zaho momba gny fahefanay , zay nome gny Tompo anay mba hanangana sady tsy hanimba anareo, tsy ho menatry aho.9Tsy tiako gny fampihorohoro anareo amy gny taratasiko. 10Fa gny olo sasany misafa hoe: "Matotry voho mahery gny taratasiny, kanefa malemy ara-bata I. Tsy soa hojanjigny gny safany."11Ao mba ho hain'olo manahaky regny ahaiza fa reo safa ao amy gny taratasy tamy gny andro tsy nahateo anay ro magneho gny asa tokony hataonay lafa avy agny zahay. 12Tsy mandeha lavitry zahay na mampitaha gnainay amy gny reo zay mirengy gnainy. Fa laha mandrefy gnainy amy hafa I reo ka mampitaha ny gnainy amy gny hafa, ka tsy ho mahasinto.13Zahay, ndra zay aza, tsy hirehareha mihoatry gny tokony ho izy. Fa ataonay avao zay misy gny mahity araky gny gnanondroan'Andriagnanahary anay, gny mahity zay mikasiky anareo. 14Fa tsy mitao gny gnainay zahy lafa avy gny safa aminareo. Zahay ro lasa voalohany avao aminareo niaraky tamy gny safa soan'i Kristy.15Tsy mirehareha mohoatra ny fefy zahay gny momba gny asany sasany, kanefa koa antenainay fa hitombo gny finoanareo amy gny asa bevata miamby gny tsiraikiraiky sady amy gny fetriny iaby. 16Fa zao ro antenainay, mba hahafahanay mivola gny safa soa ndra amy gny tany alavitry anareo aza. Tsy hirehareha momba gny asa fa vita tagny amy gny faritry hafa ntsika.17"Nefa ao gny raiky zay mihebohebo, hihebohebo ao amy gny Tompo." 18Fa tsy gnazy raiky zay magnolotry gnainy ho ankatoavy, fa koa gnazy raiky zay nome gny Tompo.
Chapter 11

1Magniry aho mba ahafahanareo manenga ahy hanao hadala kelikely sasany. Fa tena manenga ahy tokoa nareo! 2Fa saro-piaro gny momba anareo aho. Mana fahasarotam-piaro araky an'Adriagnanahary aminareo aho, hatramy gny nanomezako toky anareo tao amy gny fanambalia ho agny valy raiky avao. Gnanome toky aho ny hanolotry anareo manahaky ny virjiny malio ho agn'i Kristy.3Fa matahotry aho tsony, manahaky gny namitaha gny menara agn'i Eva tamy gny alala gny hafetseny, gny fandinihanaro mety hiala amy gny fanoloram-bata amy hitim-po sy malio amin'i Kristy. 4Fa eritrerto hoe misy olo raiky avy hitory Jesosy hafa noho raiky torianay. Na eritrereto hoe mandramby Fanahy hafa noho zay rambesinareo nareo. Na eritrereto hoe mandramby safasoa hafa noho raiky zay norambesinareo nareo. Manenga any raha reny avao nareo!5Satria mieritreritry aho fa tsy farany ambany noho reo volany hoe apostoly anabo. 6Fa na tsy nizary nandahatry safa aza aho, nizara tamy gny fahalala. Tamy gny fomba iaby sy tamy reo raha iaby ro nataonay ho hainareo izay.7Ka zaho va gnanota tamy gny fanetre-tenako mba hisondrota nareo? Fa nitory gny safa soan'Andriagnanahary maimaimpoana ho anareo aho. 8Gnandrava reo fiangona hafa aho tamy gny alala gny fanekea fanohana baka amy ndreo mba ahafahako manompo anareo. 9Lafa niaraky tamy nareo aho sy gnila fanampia, tsy gnanavesatry na ia na ia. Fa reo raha nilaiko ro nomeny reo mpirahalahy zay avy bak'agny Makedonia. Tamy gny raha iaby ro nitaoa gny safako tsy ho enta mavesatry aminareo aho, sady hanohy hanao izay.10Laha amiko ato gny fahamarinan'i Kristy, tsy hieny zay fireharehako zay any amy gny faritr'i Akaia. 11Magnino? Satria tsy tiako va gnareo? Andriagnanahary mahalala.12Sady gny raha ataoko ro mbo ho ataoko avao, mba hahafahako mangala gny fitaraina noho gny fagnakiana ahy sy gny fitaraina noho reo zay tian-dreo hieboeboa ,fa tsy reo ro hita manao asa mitovy amy zay ataonay. 13Fa gny olo manahaky zay ro apostoly sandoky sy mpiasa mamitaky. I reo manao sarintsary gny vatagny manahaky gny apostolin'i Kristy.14Sady zay ro tsy mahatseriky, fa na i Satana aza manoro gny vatany manahaky gny anjely gny fahazava. 15Tsy mahatseriky koa laha manoro gny vatagny reo manahaky gny mpanompo gny fahamarina reo mpanompony. Gny anjaran-dreo dia zay mendriky gny asa ndreo.16Volaniko ndraiky hoe: "Ka enga hisy hieritreritry hoe adala aho. Fa laha manao agny zay nareo, rambeso manahaky gny adala aho ka mba hieboebo kelikely. 17Zay volaniko momba ity fahatokia mieboebo ity ro tsy araky gny nivolan'i Tompo, fa misafa manahaky gny adala aho. 18Fa maro gny olo no mieboebo araky gny vata, hieboebo avao koa aho.19Gnanenky ampifalia adala reo gnareo. Ka hoe mahitry gny vatanareo! 20Fa mandefitry amy gny olo gnareo laha manandevo anareo, mandany anareo, manararaotry anareo, mandramby gny vatagny ho anabo noho nareo, na laha mamango tampify anareo I. 21Ho volaniko amy gny fahafaham-barakanay fa malemy loatry zahay tamy gny fanaova agny zay. Laha misy mieboebo__dia miresaky manahaky gny adala aho__Izaho avao koa ro hihebohebo.22Hebreo va rozy? Zaho koa. Isiraelita va rozy? Zaho koa. Taranak'i Abrahama va rozy? Zaho koa. 23Mpanompon'i Kristy va rozy?(Miresaky manahaky olo very say aho.) Mihoatry noho zay aho. Mbo niasa mare nihoatry noho zay aza aho, tan-gaja matetiky, tamy gny vango mihoatry gny fepetry, tamy gny fiatreha loza maro mahafaty.24Baka amy gny alala gny reo Jiosy no nandrabesako "vango efapolo latsaky raiky" Indimy. 25Intelo aho no nivangoy tamy gny hazo. Indraiky aho no notorahy vato. Intelo aho no vaky sambo. Nandany aliky raiky sy andro raiky tan-draiky eny aho. 26Nandeha tsy teteky aho, tamy gny loza gny ony, tamy gny loza gny reo mpandrava, tamy gny loza gny reo jentilisa, tamy gny loza tagny amy gny tanana, tamy gny loza tan'efitry tany, tamy gny loza tan-driaky eny, tamy gny loza baka amy ndreo rahalahy sandoky.27Fa tamy gny asa sy raha sarotry aho, tamy gny aliky tsy misy firoroa, tamy gny hamosary sy hetaheta, tamy gny fifalia hany matetiky, tamy gny nintsy sy tsy fanaova siky. 28Ankoatry gny raha hafa, misy tindry isan'andro amiko noho gny fanahiako amy gny fiangona iaby. 29Ia ro malemy, ka tsy malemy aho? Ia ro mampasiaky, ka tsy mirehitry aho?30Laha tsy maintsy mihebohebo aho, hihebohebo momba izay manoro agny reo fahalemeko. 31Gnazy Andriagnanahary sy Babagn'i Tompo Jesosy, gnazy raiky zay deray mandrakizay, ro mahay fa tsy mavandy aho!32Ta Damaskosy, gny governora ambanin'Areta mpanjaka ro niamby gny tanan'i Damskosy mba hisambotry ahy. 33 Fa najotso tamy gny garaba te amy gny varavara kely raiky teo amy gny rindry aho, ka nilay gny tanany.
Chapter 12

1Zaho tsy maintsy mieboebo, fe tsy misy na ino na ino azo baka amin'izay. Fa zaho ro hanohy gny amy reo fahita sy reo fanambara baka amy gny Tompo. 2Mahay lehilahy ao amin'i Kristy aho zay fatry amby folo tao lasa zay__gna ao amy gny vata gna amonto gny vata, zaho tsy mahay, Andriagnanahary mahay__nalay niakatry tany amy gny lanitry fahatelo.3Sady haiko fa io lehilahy io__gna ao amy gny vata, gna amonto gny vata, zaho tsy mahay ,Andriagnanahary mahay__ 4ka nalai tao amy gny paradisa sady nahare raha zay tena masy mare amy gny olo gny hivola azy. 5Amy gny anara gny olo manahaky izay ro hieboebo aho. Fa amy gny agnara gny vatako ro tsy hieboebo aho, afa tsy gny momba reo fahalemeko.6Laha te hieboebo aho, tsy ho adala aho, fa te hivola gny marina. Fa hifehy vata amy gny fieboeboa aho, mba tsy hisy gna ia gna ia hihevitry ahy ho anabo noho zay hita amiko na re baka amiko. 7Hifehy vata amy gny fieboeboa avao koa aho noho reo karaza fanambara miavaky reo. Noho zay, mba tsy ho feno fieboeboa aho, ka nasia fatiky gny nofotsiko, gny mpanday hafatr'i Satana hanakoronta ahy, mba tsy hieboebo loatry aho.8Intelo aho ro nisoloho tamy gny Tompo gny momba izay, mba hamafany anio amiko. 9Ka hoy I tamiko hoe: "Ampy ho anao gny fahasoavako, fa gny hery ro natao ho lafatra ao amy gny fahalemea". Aleoko mieboebo mare gny amy gny fahalemeko, mba hipetraha gny herin'i Kristy amiko ato. 10Noho izay lavariaky noho i Kristy ao amy gny fahalemea, amy gny fanevateva, amy gny koronta, amy gny fanenjeha sady ao amy gny fotoa sarotry aho. Fa na ombia na ombia malemy aho, dia matanjaky.11Lasa adala zaho! Gnareo ro nanery ahy amy zay, fa zaho ro tokony noderainareo. Tsy ambany mihitsy zaho noho reo zay ikehy hoe Apostoly anabo reo, ka na tsinontsino aza aho. 12Reo famantara marina gny maha Apostoly ro notanterahy taminareo tamy gny fahareta, famantara sy fahagaga voho asa mahery. 13Fa manino nareo ro tsy manan-danja noho reo fiangona sasany, ankoatry gny tsy maha vesatry aho ho agnareo? Manenga ahy noho izay fahadisoa izay!14Zao! Vonona ho avy fanintelony agny aminareo aho. Tsy ho vesatry ho anareo aho, fa zaho tsy mila izay aminareo. Gnareo ro ilaiko. Fa tsy gny agnaky ro tokony hihary ho agn'ireo ray aman-dreny. Fa koa, reo ray aman-dreny ro tokony hihary ho agny reo agnaky. 15Zaho ro ho faly tanteraky handany sy ho lania ho agny gny fanahinareo. Laha mitea mare anareo aho, ka hotiavy ke va aho?16Ka na manahaky izay aza, tsy gnanavesatry anareo aho. Fa, satria aho fetsifetsy mare, ka zaho gnazy raiky zay nahazo anareo tamy gny fitaky. 17Sa moa gnanararaotry anareo tamy gny alala gny olo zay nalefako tamy nareo aho? 18Gnaniraky malaky agn'i Titosy ho agny aminareo aho, sady nalefako niaraky tamy gny reo rahalahy sasany. Sa moa gnanararaotry anareo i Titosy? Sa moa tsy miaraky lala ntsika? Sa moa tsy miaraky lia ntsika?19Sa moa mieritreritry gnareo fa nanomboky zay fotoa iaby zay ro niaro gny vatanay taminareo zahay? Eo alohan'Andriagnanahary, no ivolananay tao amin'i Kristy gny raha iaby mba ho fampahereza anareo.20Ka mavozo aho tsony lafa avy aho ka tsy hahita anareo araky gny fanantenako. Matahotry aho tsony tsy ho hitanareo araky gny fanantenanareo. Matahotry aho fa tsony mety hisy fifamalia, fialona, fireheta gny siaky, fikasa amy gny fitiava tena, fifosa, fiheboheboa sady fikorontana. 21Matahotry aho tsony lafa mimpoly, ka hanetry ahy eo anilanareo gny Andriagnanahariko. Matahotry aho tsony mety halahelo gny amy reo maro nanota taloha teo, ka mbo tsy nibebaky tamy gny fahalotoa sy gny fijangajanga sady gny fijejojejoa feno faniria raty zay natao ndreo.
Chapter 13

1Fanintelony zao ro nandalovako aminareo aty. "Gny fiampanga iaby ro tsy maintsy miory amy gny porofo amy gny vavolombelo roa gna telo." 2Fa nivola tamy reo zay nanota ao taloha sy tamy reo ambiny iaby lafa teo fanindroany, sady volaniko ndraiky izay: "Lafa avy ndraiky aho, ka tsy hiantra azy reo aho."3Mivola anareo anizay aho satria nareo ro mila porofo fa i Kristy ro mivola amy gny alalako. Tsy momoky amy nareo I. Fa koa, mahery ao amy nareo I. 4Fa I nahanto amy gny fahalemea, nefa velo tamy gny herin'Andriagnanahary. Fa ntsika koa ro momoky ao aminy, kanefa ntsika ro miaraky miay amy gny herin'Andriagnanahary anivonareo.5Diniho gny vatanareo laha tianareo ho hita fa ao amy gny finoa gnareo. Tsapao gny vatanareo. Tsy mbo azonareo an-tsay va izay momba gny amy gny vatanareo fa i Jesosy Kristy ro ao amy nareo? Laha manahaky anareo ka tsy naharesy tamy gny fitsapa. 6Sady zaho matoky fa nareo ro hanenky fa ntsika naharesy amy zay fitsapa zay.7Henaniky zao ntsika ro mivavaky amin'Andriagnanahary fa tsy afaky gny anao raha raty gnareo. Zaho tsy mivavaky gny afaky ahita fa ntsika ro nandresy amy gny fitsapa. Fa koa, zaho ro mivavaky gny mba ahafahanareo manao zay mety kanefa ntsika ro mety ho hita manahaky gny tsy nandresy tamy gny fitsapa. 8Fa ntsika ro tsy afaky gny hanao raha manohitry amy gny fahamarina, fa ho agny gny fahamarina raiky avao.9Fa ntsika ro misinisiny lafa momoky sady mare aminareo. Fa ntsika avao koa ro mivavaky mba ho ataontsika feno gnareo. 10Manoratry reto raha reto aho laha manalavitry aminareo aho ka tsy voatery manday anareo an-keloky amy gny fampiasa gny fahefako, zay nome gny Tompo ahy, mba ananganako anareo, sady tsy hanimba anareo.11Farany, ry rahalahy, misinisinia! Miasà ho amy gny famerena amy gny lohany, mahereza, mifanekea gny tsiraikiraiky, miaina am-piadana, sady gny Andriagnanahary gny fitiava sy gny fiadana ro hiaraky aminareo. 12Mifampiarahaba gnareo amy gny fanoroha Masy.13Reo mpino iaby ro manao veloma anareo. [Fanamariha: Reo dikan-tsafa sasany ro manambatry gny andininy faha 13 amy gny andininy faha 12 sady manao gny andininy faha 14 ho andininy faha 13.] 14Enga anie gny fahasoava gny Tompo Jesosy Kristy, gny fitiavan'Andriagnanahary, sy gny fiaraha amy gny Fanahy Masina ho ao aminareo iaby.

Galatians

Chapter 1

1Paoly, Apostoly, tsy Apostoly baka ami'gny olo na baka ami'gnolo fa baka amin'i Jesosy Kristy Ndragnahary Baba, zay niongaky tamin'gny maty, 2voho reo rahalahy miaraky amiko amin'gny fiangona Galatiana:3Fahasoavan-dongonareo voho gny fiadagna ho any Ndragnahary, 4ze nagnolotry gnainynoho gny fahotantsika amin'izao andro raty iaignantsika zao arakin'gny sitrapon-Ndragnahary Babantsika,5 ho Azy gny voninahitry mandrakizay doria Amena.6Tseriky zaho fa niala nalaky tamin'gny fahasoavan'i Kristy nareo.7 Tsy midika zay fa misy filazan-tsara hafa, fa misy olo maromaro manday fikorontagna hoanareo sady te hagnova gny filazantsaran'i Kristy.8Fa ndra zahay ndre gny anjely baka agny an-dagnitry aza ro mitory gny filazantsara hafa ankoatry gny nitorianay taminareo, ka engao i mba ho voahozo.9 Fa nivola zahay taloha fa mbo ho volagninay avao henaniky zao hoe:" Laha misy magnambara gny filazantsara hafa tamin'gny raiky fa norambesindreo ro ho voahozo i." 10Moa va zaho henaniky zao mila gny fagnekea baka amin'gnolo sa baka amin-Dragnahary? Fa laha zaho ro mbo manohy mampisinisiny gnolo ro ho lasa mpanompon'i Kristy.11Fa teako hohainareo rahalahiko, fa gny filazantsara ze nambarako ro tsy filazantsara gny olombelo.12 Tsy nandramby any raha zay zaho, ndre nampianary ahy raha zay. Fa, raha zay ro nivolagnin'i Kristy Jesosy tamiko.13Kasanareo soa gny fiaignako taloha tamin'gny fagnenjehako voho gny fomba nagniagnako gny fivavaha Ndragnahary sady fa mandilatry gny raha tokony hatao gny ezaky nagnenjiky voho nandrava azy . 14Niroso zaho tamin'gny fivavaha gny Jiosy sady nandilatry tamin'ireo ze nitovy tao tamiko voho tana raiky fiavia amiko sahala gny fomba nitandrako gny fomban-drazako15Kanefa mikaiky ahy tamin'gny alala gny fahasoavany, fa i misinisiny nagnato gny anaky lahiny tamiko mba hagnambara azy amin'gny Jentilisa,16 ka tsy nieritreritry gny nofotry voho gny lio zaho.17 Tsy nandeha Jerosalema amin'ireo Apostoly nimpoly tagny.18Ka telo tao tafara taty, niakatry gny Jerosalema aho mba hifankahay tamin'i Kefasy, ka nijano niaraky taminy tagnaty gny dimy ambin'ny folo andro. 19Fa tsy nisy hitako Apostoly reo afa tsy i Jakoba, rahalahin'ny Tompo. 20Ka amin'ny azy soratako ho anareo, laha manome toky anareo aho alohan-Dragnahary eto, fa tsy mavandy aho.21Bakeo nandeha aho tamin'ny tanin'i Siria sy Kilikia. 22Mbo tsy nihay tamy gny fiangonan'i Jodia amin'i Kristy aho.23 Re ndreo avao ny vosafa hoe :'' Gnazy johary raiky nanindy antsika taloha iny, enaniky io i lasa manambara gny finoa nitiany nivonoa.'' 24Baka amin'izay, laha nidera an-Dragnahary reo antony baka amiko.
Chapter 2

1Efatry ambign'ny folo tao, tafara tatoy niakatry ta Jerosalema ndraiky aho niaraky tamign'i Barnabasy, ninday an'i Titosy niaraky tamiko. 2Niakatry tagny noho gny fagnambara raiky aho ka nametraky tamin-dreo gny filazantsara ze toriako amign'ny jentilisa reo. Niresaky mitoka tamign'azy nihevery ho manan-danja aho, mba hahazoa antoky fa tsy nihazakazaky na fa nihazakazaky, very maiky aho.3Fa ndre Titosy aza, ze niaraky tagnamiko ro sady Grika, noterea ho foray.4 Nilitry mangingina reo rahalahy sandoky mba hitsikiroky gny fahafaha agnananay amign'i Kristy Jesosy. Nagniry gny hanandevo anay reo, 5tsy nahefa gny hagneky an dreo ndra fotoa kely aza zahay, mba hitoeragn'ny fahamarignan'ny filazantsara aminareo.6Fa reo ze nihevery ho manan-danja (ndra ino ndra ino reo de tsy mampagnino ahy, Zagnahary tsy miangatry) ambarako, reo, ze hevery ho manan-danja, tsy nanampy ndre ino ndre ino tamiko.7 Mifagnohitry amign'izay, hitan-dreo fa nananky gny filazantsara ho an'ireo ze tsy voafora aho, manahaky gny nanankina an'i Petera gny filazantsara ho an'ireo ze voafora. 8Fa Zagnahary, ze niasa tao amign'i Petera ho amign'ny maha apostoly ho anireo voafora, niasa tamiko koa ho agn'ny jentilisa.9I Jakoba, Kefasy ndreko Jaona, ze hay fa agnisan'ireo nanory gny fiangona, lafa nahalala gny fahasoava ze namea ahy, de nagnome gny tagnan-kavanana gny fiombona ho ahy sy Barabasy reo. Nataon-dreo zay mba hahafahan'izy reo mandeha amign'ireo voafora. 10Nangataky avao reo mba hahatiaro gny mahantra zahay, ze raha tena tiako ho natao vatany.11Fa lafa niavy t' Antioky Kefasy, nanohitry azy tamy tarehiny aho satria voalaza fa diso i. 12Talohagn'ny niaviany lelahy sasany reo baka amign'i Jakoba agny, tan-pihinana niaraky tamign'ireo jentilisa i Kefasy.Fa lafa niavy lelahy reo, de nijano i ka niala lavitry gny jentilisa. Navozo gnazy nitaky famora reo i.13Gny sisa tamin'gny Jiosy reo koa ro niray tamin'gny fiatsaram-belatsy zao. Ndre i Barnabasy aza nibiho lala niaraky tamindreo tamin'gny fiatsaram-belatsy ndreo.14 Fa lafa nihitako fa tsy magnaraky gny fahamarignan'ny filazantsara gny fitondran-tena ndreo, nivola tamign'i Kefasy talohan-dreo iaby teo aho hoe: "Laha Jiosy anao kanefa miaigna manahaky gny jentilisa fa tsy tahaky gny Jiosy, manao akory ro hahafahanao magnery gny jentilisa hiay manahaky gny Jiosy?"15Tsika ro Jiosy tamigny alalan'ny fahateraha fa tsy mpanota jentilisa;16 haintsika nefa fa tsy misy olo hamarignin'ny lily fa amin'gny alalan'ny finoa an'i Kristy Jesosy. Tsika avao koa de avy tamign'ny finoa an'i Kristy fa tsy amign'asan'ny lily. Tsy hisy nofo ho hamarigny amy gny asan'ny lily.17Laha oatry ka, mila ho hamarigny amign'i Kristy tsika, tsika avao koa, de hita fa mpanota, moa mampirisiky gny fahota va i Kristy? Tsia gny valiny!18 Fa laha mananga draiky gny raha fa niravako aho, de magnam-porofo naiko ho mpandika lily aho.19 Fa tamign'ny lily ro nahafatesako amign'ny lily, mba ho velo ho agn'i Zagnahary zaho.20Nofantsihy niaraky tamign'i Kristy aho. Tsy zaho koa ro velo, fa Kristy ro velo agnatiko ato. Gny fiaina hiaignako amign'ny nofo anany zao ro hiaignako amign'ny finoa gny gnanaky Ndragnahary, ze tia ahy ka magnolotry gnainy ho ahy. 21Tsy magniliky gny fahasoavan-Ndragnahary aho, fa laha azo amign'ny lala gny fahamarina, de tsy misy dikany gny nahafatesagn'i Kristy!
Chapter 3

1Nao Galatiana Adala! Ia ro namoriky anareo? T'ambany masonareo teo mihintsy ro nagnatoroan'i Jesosy Kristy voafantsiky. 2Zao avao ro teako hianara nareo:" Nandramby gny Fanahy tamin'gny asa gny lily sa tamin'gny finoa zay kasanareo nareo? 3Nareo vasa adala toka? Nanomboky tamin'gny Fagnahy nareo, hiafara amin'gny nofo va?4Niharitry raha maro tamin'gny tsy misy fotony va nareo, fa laha tena rah tsisy antony vatany raha zay? 5Moa va ze magnome gny Fanahy anareo voho gny manao asa mahatseriky aminareo ro manao azy amin'gny lily, sa amin'gny fijigna gny finoa?6Manahaky an'i Abrahama" nino an-Dragnahary sady nandiniky gny fahamarignany"7 manahaky an'izao, haiko, fa reo ze amin'gny finoa ro anak'Abrahama.8 Gny Soratra Masina, nahajery fa Ndragnahary ro hagnamarina reo Jentilisa amin'gny finoany, nitory gny filazantsara tamin'i Abrahama, nivola hoe:" Bakaminao ro hitahia gny firenea iaby." 9Ka, reo ze amin'gny finoany ro ho voatahy miaraky amin'i Abrahama, olo gny finoa.10Gnazy ze mianky amin'gny asa gny lily ro ambany gny hozo; fa voasoratry hoe:" Voahozo ze tsy magneky gny raha iaby ze fa voasoratry agnatin'gny bokin-dily, voho gny manao azy."11 Henaniky io ro mazava fa tsy misy olo hagnamaryagnatrehan-Dragnahary amin'gny lily, fotony gny marina ro ho velo amin'gny finoa, 12Gny lily ro tsy araky gny finoa, fa gnolo ze manao gny asa gny lily ro tsy maintsyvelo amindreo."13Kristy nagnavotry antsika tamin'gny hozo gny lily nahavy azy ho hozo hoantsika, fa voasoratry hoe:" Voahozo ze gnolo mihanto amin'gny hazo", 14ho avy amin'gny Jentilisa gny fitahian'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, amin'gny finoa ro azahoantsika gny fampagnantenan'gny Fanahy.15Rahaly, engao zaho hivola arakay gny fanaon'gnolo. Amin'gny fifagnaraha ataon'gnolo, tsy misy afaky magnafoa ndre magnampy ze ao, laha tafapetraky gny lily.16 Reo fampagnantena ro nvolagniny tamin'i Abrahama voho gny taranakiny. Tsy mivola hoe:" ho gnany taraky," manondro olo maro, fa olo raiky avao, " ho gnany taranakinao," i Kristy.17Manahaky an'izao gny teako ho volagny:" Gny lily, avy telo-polo sy efa-jato tao tafara tatoy, ro tsy hahafoa gny fagnekea ze fa napetrakin-Dragnahary taloha sandrany.18 Fa laha avy amin'gny lily gny lova, zay ro tsy avy baka amin'gny fampagnantena koa. Fa Ndragnahary nagnome an'i Abrahama tamin'gny lilim-pagnantena.19Ino, sady gny tanjo gny lily? Nasiany an'izay noho gny fandikan-dily, paraky iavia gny taranak'Abrahama amin'ze nanaova gny fampagnantena. Gny lily ro natao gny mana gny lily raiky ho manan-kery tamin'gny alala gny Anjely. 20Fa gny mana lily ro ahaiza fa mihoatry gny raiky, kanefa Ndragnahary ro raiky.21Moa va gny lily ro manohitry gny fampagnantean-Dragnahary? Sagnatria malakilaky! Fa laha nisy gny lily nagnomea ze afaky nagnome fiaina, baka amin'gny lily vatany gny fahamarigna.22 Fa gny Soratra Masina nagnagadra gny raha bevata ambany gny fahota. Nanao anizay Ndragnahary mba hagnomezany ze mino gny fampagnantena gny hagnavota antsika amin'gny finoa an'i Jesosy Kristy.23Sady taloha gny niavia gny finoa, tsika ro tinanjaky hanjary babo t'ambanin'gny lily, ginadrany paraky ahita hiboa gny finoa. 24Gny lily ro lasa mpiamby antsika paraky iavian'i Kristy, mba ho voamarina amin'gny finoa tsika. 25Fa ho avy io finoa io, ka tsy ambanin'gny mpiamby koa tsika.26 Fa nareo iaby ro Anaky Ndragnahary amin'gny finoa an'iKristy Jesosy27Maro aminareo gny natao batisa tamin'i Kristy, ro nandramby an'i Kristy. 28Tsy misy koa ndre Jiosy ndre Grika, ndre andevo ndre olo hafa, ndre johary ndre ampela, fa raiky avao i Kristy aminareo.29 Ka laha gnan' i Kristy nareo, ro taranak'i Abrahama, voho gny mpandova araky gny fampagnantenanareo.

Chapter 4

1Zao gny safako, laha mbo zaza gny mpandova, tsy misy hafa amigny andevo, ndre i aza tompo gny raha iaby. 2Kanefa I mbo ambany fiambenan'ireo mpiamby voho gn'ireo mpagnajary gny saha saro-bidy, mandram-pihaviany daty napetrakiny rainy.3Mbo mahaky an'zay koa ntsika taminy mbo zazakely ka nandevozin'ny lalana fitsipi-pianaragn'izao tontolo izao. 4Fa lafa niavy hafenoan'gny fotoa, ka nandefa gny gnanakiny Andriagnanahary, zay naterak'ampela, nateraky tambanin'ny lalana. 5Nataon'ny izay mba hagnavota ireo ambanin'ny lalana, mba afahantsika mandramby gny fanangana ho agnaky.6Fa satria gnanaky nareo ka nirahin'Andrianagnahary ho ao agnaty fon-tsika gny fanahin'ny gnanakiny, zay voakaiky hoe: ''Aba, Ray.'' 7Ka noho izay fa tsy andevo koa iha fa gnanaky ka gnanaky mpandova amin'ny alalany Andrianagnahary koa iha.8Fa taminy andro zay, fogny mbo tsy nahay an'Andrianagnahary nareo ka ho natao andevon'gnareo zay mana hery voajagnahary, ka tsy ho Andrianagnahary mihitsy zay. 9Fa henaniky zao fa hainareo gny ANdrianagnahary na koa hoe Andrianagnahary mahay anareo. Ka manao akory koa mbo himpoliana nareo amigny abidim-piagnara zay malemy ro sady tsy misy dikany? Teanareo avao gny handevozy indraiky?10Mandiniky reo andro, vola, vanim-potoa voho tao ianareo! 11Matahotry gny aminareo zaho tsony zava-poana gny asako taminareo.12Miangavy anareo zaho, ry rahalahy, manaova manahaky ahy satria zaho fa mitovy aminareo. Nareo tsy raha raty tamiko. Tsy nanao ratsy ahy nareo. 13Kanefa , hainareo gny filazantsara tamin'ny voalohany. 14Ndra nanday anareo tamign'ny fakam-panahy aza gny toe-batako ka tsn nanao tsinontsino na nanifiky ahy nareo. Fa nirambesinareo manahakan'ny hoe anjelin-Dragnahary koa zaho, manahikigny hoe i zaho mihintsy ro Kristy Jesosy.15Aia, zay gny fahasoavanareo henaniky zao? Mijoro vavolombelo aminareo zaho fa gny laha azonareo atao, gny nombotry gny masonareo ka nomenareo ahy. 16Ka noho zay, fa fahavalonareo koa va zaho satria mivola aminareo gny marina?17Reo laha mazoto hitao anareo, fa tsy amigny soa. Te hagnily anareo amonto agny reo, mba hanananareo zotom-po andreo. 18Soa avao gny mana zotom-po amign'ny tanjona soa, ndra tsy miaraky aminareo avao zaho.19Ry gnanako, mbo mijaly amign'ny fanaintainan'ny fiteraha ho anareo koa zaho mandra-piforognan'i Kristy ao aminareo. 20Maniry zaho mba ho afaky miaraky aminareo henaniky zao sady hanova gny feoko satria sahiran-tsay noho aminareo.21Volagno amiko, nareo zay magniry gny ho ambanin'ny lily, moa ve tsy mijanjy gny lily va nareo? 22Satria voasoratry fa i Abrahama, nanan-gnanaky soa lahy, gny raiky baka amigny ampela andevo, voho gny raiky koa baka amigny ampela afaky. 23Fa gny raiky nateraky gn'ampela andevo arakigny gny nofo, fa gny raiky hafa nateraky gn'ampela tamigny safa fampanantena.24Ireo raha reo dia azo rambesy ho toy gny fanohana, satria ampela reo manambara fagnekena roe. Gny raiky amindreo baka amign'ny tendrombohitr'i Sinay ka niteraky zaza andevo i. I io ro Hagara. 25Ka i Hagara magneho gny tendrom-bohitr'i Sinay agny Arabia, sady maneho agn'i Jerosalema amin'zao andro zao, satria nandevozy miaraky tamin'ireo gnanakiny I.26Fa i Jerosalema zay agnabo agny zay afaky zay ro renintsika. 27Satria voasoratry hoe: ''Misignisignia iha sy momba zay tsy miteraky. Mikahikahia mare sady manaova koiky ampisignisignia, iha zay tsy mijaly amign'ny fiteraha. Satria gny gnanaky gny ampela zay nafoy dia maro noho gny anireo ampela manambaly.28Fa nareo, ry rahalahy, mitovy an'i Isaka, gnanaky gny famoanantena. 29Tamin'zay andro zay gny olo zay teraky araka gny nofo ka nagnendriky zay teraky tamign'ny araka gny fagnahy. Manahakan'zay koa gny henaniky izao.30Kanefa ino ro volagnin'ny Soratry Masy? ''Alefaso agny gny andevo vavy sy gny gnanaky lahy. Fa gny zanaky lahin'ny andevo ampela tsy hizara lova miaraky amign'nygnanaky lahin'ny ampela afaky.'' 31Noho izay, ry rahalahy, tsy gnanaky gny andevo ampela tsika, fa gnanaky ampela afaky.

Chapter 5

1Ho amy fahafaha ro nagnafaha an'i Kristy antsika. Mihoregna soa, laha izay ka mety ho ambanigny ziogany fagnadevoza koa.2 Intoy, zaho, Paoly misafa aminareo. Fa lafa mamela gny gnainareo ho tapahy nareo, tsy hampajary anareo amy fomba iaby Kristy.3Mijoroa vavolombelo amy gn'olo tsiraikiraiky ze mamela gny gnainy ho tapahy ndraiky fa voatery hagnaraky gny lily iaby i. 4Tafasaraky tamy Kristy nareo ze ta ho hamarigny amigny lily sady tsy misy fahasoava koa nareo.5Amy alalagny Fagnahy ,aminy finoa ro hiambenatsika fatratsy gny fagnatena gny fahamarina. 6Ao amy Kristy Jesosy tsy midika ino na ino na voatapaky na tsy voatapaky fa gny finoa miasa amy fitiava avao. 7Fa nilainday soa nareo. Ia ro nisaka anareo tamy gny fagnekea gny marina? 8Zay fandresendahatsy zay tsy baka amizay nikaiky anareo.9Lalivay kely ro nampitombo gny koba iaby. matoky gny Tompo zaho fa tsy handramby fomba fijery hafa nareo.10 Fa gny raiky ze mampikorontaky anareo ro hagnefa gny sazy, na ia i na ia11Ry rahalahy, la mbo mitory gny amy tapak' agnaky zaho, nagnino zaho mbo nenjehy? Amizay ho afaky tokoa gny fahatafitohia amy fijalia. 12Hoandreo ze magnakorontaky anareo. Engane ka hanapaky gny vatany reo!13Fa nikeha ho amy fahafaha nareo, ry lehilahy. Ka ampiasay amy gny filagny nofo gny fahafahanareo; fa amy gny alalagny fitiava ka mifanompoa.14 Gny lily iaby ro tanteraky amy lily raiky; ao amy hoe: " Tsy maintsy mitea gny sakaizanao mitovy amy vatanao iha."15 Laha mifagnaikitry sy mifampihina nareo, mitahoa tsony hifandavo.16Ka hoy zaho,mandehana araky gny fagnahy mba tsy hahatanteraky ze fila gny nofonareo. 17Fa manohitry gny fagnahy gny filany nofo gny fagniriany fagnahy. Fa mifanohitsy reo, mba tsy hahafahanareo manao ze raha tianareo.18 Fa laha tarihigny fagnahy nareo, tsy ho ambaniny gny lily.19Hananizao miharihary gny asany filagn'ny nofo: fijangajanga, fahalotoa, fijejojejoa,20 fagnompoa sampy, famosavia, fankahala, fifandira, fahasarotam-piaro, fipoahagny fahatezera, fifandrafia, fisarambaza, fizarazara,21 fialogna, fahamamoa, fagnakorontagna ary gny raha mitovy amizay. Mampitandry anareo aho, nanahaky gny fa nampitandremako anareo taloha, fa tsy handova gny fanjakan-Dragnahary reo ze mampanao any raha reo.22Fa gny vokatsy gny fagnahy ro fitiava, fifalia, fahareta, hasoam-pagnahy, fagnaovan-tsoa, finoa,23 fahamoram-pagnahy sady fahafehezan-tena; tsy misy lily manohitsy raha nanahaky anizay. 24Reo ze gnan' i Kristy Jesosy ro fa nagnombo gny toera maro fahotany niaraky tamy fahafinaretany sy gny filany.25Laha miai amy fagnahy tsika,aoky handeha amy fagnahy avao koa.26 Aoky tsika tsy ho lasa mpieboebo, mifandragnitsy, sady mifampialo.
Chapter 6

1Ry rahalahy,laha misy olo azon'ota,gnareo magnam-panahy ro tokony hampimpoly azy amy ndraiky amy hamoram-panahy.Mihevera gny vatagnanao,mba tsy halaim-panahy koa iha. 2Mifampandesa gny mavesatry,fa amy zay tanteraho gny lilin'i Kristy.3Fa laha misy olo mihevitry nainy ho zavatry nefa tsy inoino,dia mamitaky gny vatagny i. 4Tokony handigniky gny tenany gny tsirairaiky,mba ho amy gny vatany ro hireharehany fa tsy amy gn'olo hafa. 5Fa samby manday gny entany gny olo tsirairaiky.6Gny olo nazy nampenary safa dia tsy maintsy mizara gny raha soa iaby amy ze mampianatry. 7Ka mety ho fitahy.Tsy azo vazivazi Ndragnahary,fa ze raha iaby nambolen'olo,ro tsy maintsy ho jinjainy koa.Ho agny ze mamboly vihy amy toetry feno fahota,de avy amy zay ro hijinjany fahasimba. 8Ze mamboly voa amy Fanahy,amy Fanahy ro hijinjany ny fiaina mandrakizay.9Ao tsika tsy ho mokotry amy fanaovan-tsoa,fa hijinja vokatry ntsika amy fotoa mety,laha tsy milavo lefo. 10Lafa izay,satria lafa mana fahefaha tsika,de aoka hagnao gny soa amy olo iaby,indrindra amy fianakaviag'ny finoa.11Jereo gny habevatany soratsy nazy gnosoratako anareo. 12Gnazy te ho hiseho soa amy nofo ro miezaky magnery agnareo mba ho tapahy.Manao agny zay rozy reo mba hiala amy fanendreha noho gny hazofijalian'i Kristy. 13Fa ndre gnazy tsy voatapaky aza tsy mitandry gny lily,nefa tian-dreo ho tapahy gnareo mba hiebohabohan-dreo amy nofonareo.14Nefa tsy hiebohaboha na ombia na ombia laha tsy amy hazofijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika zaho,nazy nanomboha amy zao raha iaby zao tamiko,fa zaho koa teo amy raha iaby izao. 15Fa gny tapaky na gny tsy voatapaki de samy tsy misy dikany,fa gny fiainam-baovao ro misy dikany. 16Ho agny iaby ze miai amy fomba zay,de ho andreo gny fiadana sy gny famindram-po,na amign'ny Israelin-Dragnahary aza.17Manomboky zao aoka tsy hisy hanadala ahy,fa manday gny marik'i Jesosy amy vatako zaho. 18Ho amy gny fanahinareo gny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika,ry rahalahy.Amena.

Ephesians

Chapter 1

1Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy araky gny sitrapon-Dragnahary, ho agny reo olo masin-Dragnahary agny Efesosy, zay mahatoky ao amin'i Kristy Jesosy. 2[Fanamariha: Misy fandika sasany mangala gny hoe:"Ao Efesosy" nefa mety ao amy gny taratasin'i Paoly tamy gny voalohany izay.] Ho aminareo gny fahasoava sy fiadana baka amy Ndragnahary Babantsika sy Jesosy Kristy Tompo.3Deray anie Ndragnahary sy Baban'i Jesosy Kristy Tompontsika, zay nitahy antsika tao amin'i Kristy tamy gny fitahia mpanahy iaby baka agny an-danitry ao amin'i Kristy. 4Ndragnahary nifily antsika tao aminy nanomboky tamy fiatomboha gny zao rah iaby zao, mba ho masi sy tsy manan-tsiny anatrehany tsika.5Ndragnahary ro nifily antsika mialoha ho amy gny fanangana ho gnanaky tamy gny alalan'i Jesosy kristy, araky gny sitrapony. 6Gny fanangana antsika ro nanday amy gny fidera gny fahasoavany be vonihitry zay nomeny antsika maimaimpoa tao amy gnazy Raiky zay tiany.7Ao amin'i Jesosy kristy ro ahazoa fanavota amy gny ràny sy gny famela keloly tsika, araky gny harem-pahasoavany. 8Narotsaky tamintsika tamy gny fahendrea sy fahalala iaby izay fahasoava zay.9Nataon-Dragnahary haintsika gny raha mivony amy gny sitrapony, araky zay teany, sy izay natorony tao amin'i Kristy, 10niraky tamy gny fandahara zaiky amy gny fahafenoa gny fotoa,hanangona ny raha iaby, etoy an-tany sy an-danitry any, ho loha raiky,na Kristy aza.11Voatendry ho mpandova tsika ao amin'i Kristy. Nofilia mialoha araky fandahara gnazy mampiasa gny raha iaby araky gny tanjo gny sitrapony tsika. 12Ndragnahary nanendry antsika ho mpandova mba ho tsika ro mana fahatokia voalohany ao amin'i Kristy, mba ho fidera gny voninahiny tsika.13Tao amin'i Kristy, gnareo koa, lafa mahare gny safa gny fahamarina, io gny filazantsara gny famonjea anareo, ka nino Azy gnareo sady voatomboky tamy gny Fanahy Masina nampanatenai, 14zay antoky ho agny gny lovantsika mandraky ahazoantsika iaby izay, ho fidera gny vonihatriny.15Noho izay antony zay, hatramy gny naharezako gny finoanareo gny Tompo Jesosy miaraky gny fitiavanareo reo olo masy iaby, 16ro tsy nitsahatry gny nisaotry an-Dragnahary zaho noho gny aminareo sady tiaroko am-bavaky gnareo.17Mivavaky zaho mba Ndragnaharign'i Jesosy Kristy Tompontsika, gnazy Baba gny voninahitry, hanome anareo gny fanahin'gny fahendrea sy fanambara amy gny fahalala Azy. 18Mivavaky zaho mba hazavay gny maso gny fonareo, mba hahaizanreo gny toky zay nikehany anareo sy gny hare gny voninahitry gny lovany eo amy reo olo iaby masin-Dragnahary.19Ao amy gny fivavako ro managataky zaho mba hahaizanareo gny fihoara gny habevata gny tanjakiny ao amintsika zay mino, araky gny fiasa gny heriny bevata. 20Izay hery zay avao ro nampesain-Dragnahary tamin'i Kristy lafa nantsangany tamy gny maty I sady napetrany tan-tagnany ankavana tan-danitry tany. 21Kristy ro napetrakiny ho anabony gny lily sy gny anara iaby zay misy. Hanapaky Kristy, tsy henaniky zao avao fa amy andro zay ho avy koa.22Napetraky Ndragnahary ho ambany gny tombokin'i Kristy gny raha iaby sady natorony ho loha gny raha iaby ao amy gny fiangona I. 23Gny fiangona no vatany, gnazy fahafenoa Gnazy mameno gny raha iaby amy gny endriny iaby.
Chapter 2

1Ka gny momba anareo, maty tanatin'gny fahadisoanareo sy gny fahotanareo gnareo. 2Tao amy regny fahadisoa regny ro niainareo taloha araky fomban'izao tontolo zao. Niai araky gny mpanapaky reo fahefa eny amy gny tsioky gnareo, gnazy fanahy zay miasa ao amy reo gnanaky gny tsy fankatoava. 3Niay tamy reny olo reny iaby tsika taloha, nanatanteraky reo fila raty gny vatantsika, sady nanatanteraky gny faniria gny nofo sy gny say. Fa voahary ho gananky gny fahasiaha, manahaky gny gnanak'olombelo tavela tsika.4Nefa manan-karea famindram-po Ndragnahary noho gny fitiava bevata nitiavany antsika. 5Tamy ntsika mbo maty tanaty gny fahadisoa,novelominy niaraky tamin'i Kristy, tamy gny fahasoava no namonjea anareo. 6Niaraky natsangan-Dragnahary tsika, sady niaraky napetrany tan-danitry tao ao amin'i Kristy Jesosy, 7mba afahany manoro antsika amy gny vanim-potoa ho avy gny habevata gny harem-pahasoavany zay tsy azo refesy atorony amy gny hasoam-panahy amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.8Fa tamy gny fahasoava ro namonjea anareo tamy gny alala gny finoa, sady tsy baka aminareo zay, fa fanomezan-Dragnahary. 9Tsy baka amy gny asa gny fahasoava mba tsy hisy hirehareha. 10Fa asan-Dragnahary tsika, noforoni tamin'i Kristy Jesosy mba hanao asa zay fandaharan-Dragnahary fa ela ho antsika, mba handehanantsika ao amy reo.11Noho izay tiarovo fa Jentilisa tamy gny nofo gnareo taloha. Gnareo gnazy nikehy hoe "tsy voatapaky" amy reo gnazy ikehy hoe "voatapaky" ao amy gny vata natao gny tagnan'olombelo. 12Satria mbo tafasaraky tamin'Kristy gnareo tamy zay fotoa izay. Mpivahiny gnareo tamy gny vahoki gny Israely. Sady vahiny tamy gny faneke gny fampanantena gnareo. Tsy mbo nana fanantena gny amy ho avy gnareo. Tsy niaraky tamin-Dragnahary gnareo teto amy raha iaby zao.13Fa henaniky zao ao amin'i Kristy Jesosy gnareo gnazy lavitry an-Draganahary taloha ro nampanihany tamy gny lion'i Kristy. 14Satria I ro fihavanantsika. I ro nahavy gny roa ho raiky. Tamy gny vatany ro nandravany gny rindri gny fanohera zay nampisaraky antsika. 15Izay hoe, noravany gny lily gny didy sy gny fitsipiky mba hanaovany olom-baovao raiky ao Aminy, sy mba hanaova fampihavana. 16Kristy ro mampihava gny vahoaky roa tonta ho vata raiky amin-Dragnahary amy gny alala gny hazofijalia, ka mamono gny fanohera.17Fa avy Jesosy sady nitory fihavana ho anareo zay lavitry sady fihavana ho agny reo zay mariniky. 18Fa amy gny alalan'i Jesosy ro hananantsika roa tonta fifandraisa amy gny Fanahy raiky mandeha amy gny Ray.19Noho izay, tsy vahiny sy mpivahiny koa gnareo Jentilisa zao. Fa vo maiky aza mpiraiky firenena miaraky amy reo zay olo masin-Dragnahary gnareo sady isa gny longo Ndragnahary. 20Fa naoriny tamy gny fototry fanorea reo Apostoly sy reo mpaminany gnareo, sady Kristy Jesosy mihintsy ro vato fehizoro. 21Ao Aminy ro hikambana gny fanorenan raha iaby sady hitomboany manahaky gny tempoly ao amy gny Tompo. 22Ao Aminy avao ro hanangana anareo mairaky ho fitoera ho an-Dragnahary ao amy gny Fanahy.
Chapter 3

1Noho izay, zaho Paoly, ro gadran'i Kristy Jesosy ho anareo Jentilisa. 2Ataoko fa nahare gny fandesa gny fahasoavan-Dragnahary zay nomea ahy ho anareo gnareo.3Manoratry araky gny fanambara nampahafatary ahy zaho. Izay ro marina mivony momba zay nosoratako kelikely taminareo. 4Lafa mamaky gnareo, ho afaky gny hahazo gny fomba fahazoako izay marina mivony momba an'i Kristy zay. 5Tamy reo taranaky hafa ro tsy natao hain'gny gnanak'olombelo izay marina zay. Fa henaniky zao koa izay ro nambara tamygny alala gny Fanahy tamy reo Apostôly sy reo mpaminany zay voatoka ho amy toy asa toy.6Izay marina mivony zay ro mivola fa reo Jentilisa ro mpiaraky mandova, sy mpiaraky mivonjo amy gny vata, sady mizara gny fampanantena ao amin'i Kristy Jesosy amy gny alala gny filazantsara reo. 7Fa nandrary mpanompo zay filazantsara izay zaho tamy gny fahasoavan-Dragnahary nameny ahy tamy gny alala gny fiasa gny heriny.8Nomen-Dragnahary ahy zay fanomeza zay, na de zaho aza ro farany keikely mare amy reo olo masin-Dragnahary. Izay fanomeza zay ro mba hitoriako amy reo Jentilisa gny safasoa gny haren'i Kristy sarotry hita. 9Gny fanomeza mpahasoavan-Dragnahary ho ahy ro anandesako fanazava amy gny olo iaby gny fandaharan-Dragnahary. Io fandahara io ro navonin-Ndragnahary, Gnazy nomoro gny raha iaby, nandritry gny tao maro taloha.10Nampahafatary tamy gny fiangona izay fandahara zay mba hahavy reo mpanapaky sy reo manam-pahefa an-danitry agny hahay gny toetry maro gny fahendren-Draganahary. 11Niseho araky gny fandahara mandrakizay zay tanteraky tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika zay.12Fa ao amin'i Kristy ro ananantsika fahasakia sy lalam-pahatokia noho gny finoantsika Azy. 13Noho zay, misoloho anareo zaho mba tsy ho kivy noho gny fijaliako ho anareo, izay voninahitry nareo.14Noho izay, mandohaliky aloha gny Baba eo zaho, 15zay nanome anara gny longo iaby an-danitry any sy etoy an-tany. 16Mivavaky zaho mba hanomeza anareo, araky gny hare gny voninahitriny, mba hatanajky amy hery amy gny alala gny Fanahy Masina, zay ao aminareo.17Mivavaky zaho mba hipetraky ao am-po nareo amy gny finoa agny Kristy, mba hifototr sy hiori ao amy gny fitiavany ganreo. 18Hahazo hery lehy gnareo ka ho afaky mahatakatry, miaraky amy reo mpino iaby, gny sakany, gny halavany, gny hahabony, sy gny halaliny, 19sady mba hahay gny fitiavan'i Kristy, zay mihoatry gny fahalala iaby, ka mba ho feno gny fahafenoa Ndraganahary iaby gnareo.20Sady ho Azy zay mahavita manao mihoatry zay iaby angatahintsika na eritseritintsika, araky gny hery zay miasa ao anatintsika, 21ho Azy gny voninahitry ao amy gny fiangona sady ao amin'i Kristy Jesosy hatrami gny taranaky iaby mandrakizay doria. Amena.
Chapter 4

1Noho izay, zaho, amy gny maha gadra ho agny gny Tompo ahy, mampirisky anareo mba handeha am-pamendreha amy gny kaiky zay nikeha anareo. 2Mampirisiky anareo zaho mba hana fanetrea tena bevata sy fahatsora ary fahareta, mifandefitry amy gny fitiava. 3Manaova zay farany gny herinareo mba hanajaria gny firaisa gny Fanahy amy gny fatora gny fihavana.4Raiky avao gny vata ary raiky avao koa gny Fanahy, manahaky gny nikaiky anareo tao amy gny fanantena gny fikeha anareo ho raiky avao koa. 5Sady raiky avao gny Tompo, raiky avao gny finoa, raiky gny batisa, 6 sady raiky avao Ndragnahary sy gny Baba gny raha iaby, zay anambony raha iaby sady amy gny alala gny raha iaby sy ao amy gny raha iaby.7Tsika tsiraikiraiky iaby ro nomea fahasoa araky gny habe gny fanomezan'i Kristy. 8Araky gny safa gny Soratry Masina izay hoe: "Lafa niakatry tany amy gny anabo I, nanday reo babo ho amy gny fahababoa, sady nanolotry fanomeza ho agny vahoaky I."9Ino gny hevitry gny hoe: "Niakatry I," laha tsy hoe nijotso tany amy gny faritry ambany gny tany avao koa I ? 10I gnazy nijotso gnazy olo niakatry anabo tany an-danitry, mba hahafahany mameno gny raha iaby.11Kristy ro nanolotry gny sasany ho Apostôly, gny sasany ho mpaminany, gny sasany ho evanjelista, gny sasany ho pasitera sy mpampianatry. 12Gnanome reo asa reo I mba hanampia reo vahoaky masina ho amy gny asa fanompoa, amy gny fanorea gny vatan'i Kristy. 13Manohy mananga gny vatagny I mandra-pahatratsy ntsika iaby gny firaisa mpinoa sy gny fahalala gny Gnanaki Ndragnahary, sady mba hahavy antsika ho matoe ka mba hahatratsy gny habe gny fahafenoan'i Kristy.14Manory antsika Kristy mba tsy hanahaky gny zaza zay afefikiny gny loziky koa tsika, sady tsy handesi gny tsioky gny fampianara sy gny hafetsea gny reo olo amy gny tetiky feno fitaky. 15Fa tsika koa, amy gny filaza gny fahamarina amy gny fomba iaby ao amin'Izay loha, zany hoe, Kristy. 16Kristy ro mananga gny vata iaby, sady nampitiky sy natambatry tamy gny isan-tonony io, sady lafa miasa miaraky reo, zay mahavy gny vata hitombo mba hampiory gny vatany amy gny fitiava.17Noho izay, mivola sy manindry mare agny zay ao amy gny Tompo zaho, mba tsy hiai manahaky gny Jentilisa koa gnareo, amy gny fahafoana gny fisaina ndreo. 18Maiziky gny fahalala ndreo, tafasaraky amy gny fiainan-Dragnahary noho gny tsy fahalala ao amy ndreo, noho gny fahamafisam-po ndreo. 19Tsy mahay menatry ndreo sady gnanolotry gny vata ndreo ho amy fila gny nofo, sady manohy manao agny zao karaza mpahalotoa iaby zao.20Fa tsy izay ro fomba gnianara nareo gny momba an'i Kristy. 21Inoako fa nahare gny momba Azy gnareo, sady nampianary tao aminy, satia gny fahamarina ro ao amin'i Jesosy. 22Nampianary gnareo mba hanary gny fomba fiainanareo taloha, mba hanary gny toetry taloha. Gnazy toetry taloha zay simba noho gny fitaky gny filany.23Gnampianary gnareo mba hihavao ao amy gny fanahy gny sainareo, 24sady hisiky gny olom-baovao zay noharia araky gny sorakin-Dragnahary_ao amy gny tena fahamarina sy fahamasina25Noho izay, ialao gny vandy, sady aoka gny tsiraikiraiky aminareo hifampivola gny marina amy gny namany, satria samby rantsany tsika iaby. 26Masiaha fa ka manota. Ka enga tsatry gny masoandro moly gny siaky nao. 27Ka manome hiriky ho agny gny devoly.28Izay nangalatry, tsy tokony hangalatry koa. Tsy maintsy miasa I, manao asa soa amy gny tanany, mba hananany raha ho zaray hoa gny reo anatin'gny tsy fahampia. 29Ka enga hisy safa maloto hiboaky baka amy gny vavanareo. Mampiasà gny safa zay ilay amy gny fanorena gny hafa, araky zay ilaindreo, mba tena hanampy reo zay minjanjy anareo gny safanareo. 30Sady ka mamplahelo gny Fanahy Masin-Dragnahary, fa baka aminy ro nanaova tombo-kase anareo ho amy gny andro fanavota.31Ialao iaby gny lolom-po, haromonta, gny siaky, gny fifamalia, sy gny fifampivolana raty, miaraky amy reo karazan'asa raty iaby. 32Manàna fahalemem-panahy amy gny tsiraikiraiky iaby, fahatsoram-po, mifamela heloky, manahaky gny namelan-Dragnahary anareo tao amin'i Kristy.
Chapter 5

1Noho zay aoka mba ho mpangala tahaky an-Dragnahary, manahaky gny gnanaki malala. 2Sady mandehana amy gny fitiava, araky gny nitiavan'i Kristy antsika koa sy nanomezany gny vatany ho antsika, fanatritry manim-pofo sy soro ho an-Dragnahary.3Fa tsy tokony hisy na resaky fijangajanga na karaza fahalotoa na tsy fahonona mbata aza aminareo, fa tsy mendriky gny olo masin-Dragnahary reo. 4Aoka tsy hisy mamoafaly, resaky adaladala, sy somonga tafahoatry, fa tsy mendriky gny iaby reo. Fa koa tokony hisy fankasitraha.5Fa afaky mahazo antoky gny amy zao gnareo, fa tsy hisy mpijangajanga, maloto, na gny mpierina, izay hoe, mpanompo sampy, mana lova ao amy gny fanjakan'i Kristy sy Ndragnahary. 6Aoka tsy hisy hamitaky anareo amy gny safa tsisy, satria noho reo raha reo ro avy baka my gny gnanaky gny tsy fankatoava gny siaki-Ndragnahary. 7Noho izay, ka mikamba amy ndreo.8Fa maiziky gnareo taloha, fa zao gnareo ro fahazava ao amy gny Tompo. Mandehana manahaky gny gananky gny mazava, 9(fa gny vokatry gny fahazava ro ao amy gny hasoa iaby, fahitia, sy fahamarina). 10sady ilao zay mahalavariaky gny Tompo. 11Ka mikamba amy reo asa tsy mamokatry gny haiziky, fa ampiharihario koa reo. 12Fa mahamenatry na gny manono reo raha atao ndreo agny amy gny mivony aza.13Ka lafa hazavain'gny fahazava gny raha raiky, lasa miharihary. 14Fa gny rgha iaby zay miharihary ro fahazava. Noho izay ro voavola hoe: "Mifohaza, iha matory, sady mitsangàna amy gny toera gny maty, ka hamiratsy aminao Kristy."15Mitandrema amy gny fomba fiainanao, tsy manahaky gny tsy mahitsy fa manahaky gny mahitsy. 16Araraoto gny fotoa satria zao andro zao fa raty. 17Noho izay, ka miadaladala, fa takaro hoe ino ro sitrapo gny Tompo.18Ka manao mamo gny divay, fa manday agny amy gny fahasimba toetry zay. Fa koa,ao ho feno gny Fanahy Masy, 19mifampiresaha amy nareo samby nareo amy gny salamo sy fihira ary hiram-panahy, mihirà sady miantsa amy gny Tompo amy gny fonareo iaby. 20Misaora mandrakariva amy gny raha iaby, amy gny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika ho an-Dragnahary gnazy Baba, 21mifanolora vata amim-panaja ho an'i Kristy.22Ry ampela, manekea gny valinareo, manahaky gny amy gny Tompo. 23Fa gny johary ro loha gny vavy manahaky agn'i Kristy koa loha gny fiangona, sady Kristy vatany ro mpamonjy. 24Fa manahaky gny haneke gny fiangona agn'i Kristy, manahaky zay ro tokony haneke gny ampela gny valiny amy gny raha iaby.25Ry lehilahy, tiavo gny valinareo, manahaky gny nitiavan'i Kristy gny fiangona sy nanomezany azy gny ainy. 26Nanolotry gny vatany ho agny gny fiangona Kristy mba afahany manamasi azy, tamy gny fanadiova azy tamy gny rano fanasa amy gny vata, 27 mba afahany manoro azy ho bevata voninahitry eo aminy, tsy misy pentina na kentrona na raha manahaky izay, fa masy sady tsy misy diso.28Manahaky izay koa gny lehilahy ro tokony ho tia gny valindreo iaby manahaky gny vata ndreo. I zay tia gny valiny ro tia gny vatany koa. 29Mbo tsy gnisy tsy tia gny vatany, fa mamaha sy mikarakara izay soa, manahaky agn'i Kristy mamaha gny fiangona sy mikarakara azy koa, 30satria tsika ro ratsam-batany.31Noho izay antony zay gny lehilahy ro hanenga gny babany sy gny neniny ka hikamba amy gny valiny, sady I roa ro hanjary vata raiky avao." 32Bevata zay fahamarina mivony izay, fa zaho ro miresaky momba an'i Kristy sy ny fiangona. 33Kanefa, gny tsiraikiraiky aminareo avao koa ro tokony ho tia gny valiny manahaky gny vatany, sady gny ampela ro tokony hanaja gny valiny.
Chapter 6

1Ry anaky, manekea gny baba sy neny nareo ao amy gny Tompo, satria mety izay. 2"Hajao gny babanao sy gny neninao" (izay ro lily voalohany misy fampanantena), 3"mba hahita soa iha sady mba ho lava andro iaina etoy ambony gny tany."4Gnareo baba, ka manday gny gnanakinareo ho amy gny fahatezera. Fa koa, tezao amy gny lily sy reo fampianara gny Tompo reo.5Ry mpanompo,mankatoava gny tomponareo an-tany etoy amy gny haja anabo sy tambitamby, amy gny fahatsora gny fonareo. 6Mankatoava azy reo manahaky gny hankatova nareo an'Kristy. Mankatoava tsy amy maso gny tomponareo avao mba hankasitraha ndreo. Fa koa, mankatoava manahaky gny mpanompon'i Kristy, zay manao gny sitrakin-Ndragnahary amy gny fo nareo iaby. 7Manompoa amy gny fo nareo iaby, manahaky gny hoe manompo gny Tompo gnareo fa tsy olo, 8satria haintsika fa na ino na ino asa soa ataon'olo tsiraikiraiky, handramby vali pitia baka amy gny Tompo I, na andevo I na olo afaky.9Gnareo Tompo, manaoava manahaky anizay koa amy gny mpanomponareo. Ka mampihorohoro andreo. Hainareo fa I zay sady Tomponareo no Tompo ndreo ro an-danitry any, sady tsy misy fiangara ao Aminy.10Farany, mahereza ao amy gny Tompo sy amy gny tanjaky gny heriny. 11Isikino iaby gny fialian-Dragnahary, mba afahanao mitsanga manohitry reo tetiky gny devoly.12Fa gny alintsika, tsy manohitry gny vata sy gny lio, manohitry gny fanjaka sy gny fahefa ara-panahy sy reo mpanapaky gny fanjaka gny maiziky raty, manohitsy reo fanahy raty agny amy gny fipetraha an-danitry agny. 13Noho izay isikino iaby gny fialian-Dragnahary, mba afahanareo mitsanga amy zao andro raty zao, sady lafa vitanareo gny raha iaby, hahatohitry gnareo.14Mitsanga, noho izay, lafa avy nanao gny fehikibo gny fahamarina sy gny fiarova tratra gny fatia gnareo. 15Sady manahaky kiraro ho agny tombokinareo, ka hapetaho gny fahavonona hitory gny safasoa gny fihavana. 16Amy gny toe-draha iaby, rambeso gny ampinga gny finoa, zay afahanareo manohitry reo ana-tsipiky mirehitry motro gnany raty.17Sady rambeso gny saron-doha gny famonjea sy gny meso lava gny Fanahy, gnazy safan-Dragnahary. 18Amy gny vavaky sy fangataha iaby, ka mivavaha amy gny Fanahy amy gny fotoa iaby. Amy zay fomba fisaina izay, miambena avao amy gny fahareta iaby, laha manolotry vavaky ho agny reo olo masin-Dragnahary gnareo.19Sady mivavaha ho ahy, mba hisy hafatry homeny ahy lafa manokatry gny vavako zaho. Mivavaha mba afahako mampahafantatry amy gny fahasahia gny fahamarina mivony momba gny safasoa. 20Ho agny safasoa no maha solotena voafatotry amy gny gadra ahy, mba afahako manambara agny zay am-pahasahia, laha tsy maintsy mivola zaho.21Tykiko, gnazy rahalahy malala sy mpanompo mahatoki ao amy gny Tompo, ro hampahafantatsy anareo gny raha iaby, mba hahaiza nareo zay atoko. 22Nirahiko taminareo I noho io tanjona io, mba hahaiza nareo reo raha momba anay, sady hahafahany mampahery gny fonareo.23Fiadana ho amy reo rahalahy, sady gny fitiava miaraky amy gny finoa baka amy Ndragnahary Baba sy gny Tompo Jesosy Kristy. 24Gny fahasoava agnie ho amy zay tia agn'i Jesosy Kristy Tompontsika amy gny fitiava tsy maty mandrakizay.

Philippians

Chapter 1

1Paoly voho Timoty, mpanompon'i Jesosy Kristy, ho andreo iaby voatoka ho an'i Jesosy Kristy zay agny Filipy, miaraky amindreo mpiandraikitsy voho reo diakona. 2Ao aminareo anie gny fahasoava sy gny fiadana baka amin-Dragnahary babantsika voho i Jesosy kristy Tompo.3Misaotry gny Ndragnahary zaho amy gny fahatriarovako anareo. 4Ao amy gny fivavahako ho anareo iaby, ka amy gny fifalia hatrany ro anamboarako gny fivavahako. 5Magnome fisaora zaho noho gny fiombonareo amin'ny filazantsara manomboky tamy gny andro voalohany ka hatramy zao. 6Matoky any zao raha zao zaho, fa I zay nanomboky asa soa tamindreo ro hanony hanatanteraky zay hatrany gn'andron'i Jesosy Kristy.7Fa soa amiko gny mahatsapa toy zany gny mankasiky anareo iaby fotony ato ampoko nareo. Nareo iaby mpiara-miasa tamiko tamy gny fahasoava na tamy gny figadrako voho tamy gny fiarovako na koa tamy gny famamafisa gny filazantsara. 8Fa Ndragnahary ro vavolombeloko, fa many nareo mafy zaho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy.9Sady zaho mivavaka an'zao: mba hitombo hatrany gny fitiavanao amin'ny fahalala voho amin'ny fahazava-tsay iaby. 10Mivavaky ho anareo zaho mba haiky zay soa aminareo mba ho tso-po voho tsy misy tsiny amin'ny andron'i Kristy. 11Mivavaky zaho ,mba ho feno gny vokatsy gny fahamaria zay avy amin'i Jesosy Kristy nareo, ho vononahitsy voho fidera an-Dragnahary.12Teako ho hainareo, nareo rahalahy, fa reo raha zay niseho tamiko ka niasa ho amin'ny fampandrosoa gny filazantsara tokoa. 13Vokatr'zay, gny fehiko ao amin'i Kristy miharihary mazava manera reo mpiamby gny lapa manontolo voho reo olo hafa. 14Gny akamaroandreo rahalahy là manana toky bevata tokoa ao amin'ny tompo noho gny fatorako, ka sahy manambara tsy amin-tahotsy gny teny reo iaby.15Gny sasany aza mitory an'i Kristy amin'ny fialogna voho fifandira tokoa, fa reo hafa kosa amin'ny sitrapo soa. 16Reto farany manao zay amin'ny fiteava, mahay fa zaho napetraky eto ho fiarova gny filazantsara. 17Fa reto voalohany mitory an'i Kristy amy gny fiteavan-tena, fa tsy tso-po. Reo regny mihevitsy fa hanakoronta ahy laha mbo ao amin'ny fifatorako zaho.18Ino zao? Amy gny fomba iaby, ndra amign'ny fihatsara velatsy ndra amign'ny fahamarina, Kristy ro toria, mifaly gny amin'zay zaho. Eka, ho faly zaho, 19fa haiko fa zay hiafara amy gny fanafaha ahy amy gny alalandreo vavakinareo voho gny fanampia gny fagnahy gny Jesosy Kristy.20Izay araky gny fiambenako mafy voho gny antoky fa zaho tsy ho megnatry mihintsy mbola amy gny fahasahia iaby avao, kenaniky zao mindry gny hatrizao, hisandratry ato amy gny vatako Kristy, ndra amy gny fiaina ndra amy gny fahafatesa. 21Ho ahy gny hoe miay Kristy gny hoe maty tombokiny.22Fa lafa miay amy gny nofo zaho, midika asa mahavokatry ho ahy zao. Kanefa ndra ino ro ho fidiko? Tsy mahay. 23Fa voateny mare eo anelanelany nareo roa zaho. Gny faniriako gny handeha hiaraky amign'i Kristy, zay soa lavitry, 24kanefa gny mipetraky ao amy gny nofo zay ilà tokoa avao nareo.25Resy lahatry gny amign'zay ho hay fa hipetraky voho hanohy hiaraky aminareo iaby zaho, ho any gny fandrosoanareo voho fifalia ao amy gny finoa. 26Reo ho ao amiko, hanana antoky hirehareha ao amign'i Kristy Jesosy nareo iaby mivezy agny aminareo ndraikyzaho. 27Manday tena amy gny fomba mendriky gny filazantsara an'i Kristy, ka ndra ho avy hijery anareo zaho ndra tsy ho avy, afaky gny hijanjy momba anareo avao, fa mijoro mare amy gny fagnahy raiky nareo, amy gny say raiky miara-miezaky ho any gny finoa gny filazantsara.28Aza mora ampitahory nareo zay fahavalonareo. Mariky gny fahasimbanareo zay, fa mariky gny famonjenareo zay avy amin-Dragnahary. 29Fa nomenareo zay, ho an'i Kristy, tsy hoe mbo hinoa azy avao, fa hijaly ho azy koa, 30fa nareo manana aly mindry amy gny hitanareo tamiko, zay renareo tamiko henaniky zao.

Chapter 2

1Laha misy fampahereza ao amin'i Kristy, laha misy fampionogna baka amy fitiavany ,laha misy firaisa amy fanahy,laha misy famindram-po bevata sy fiantsa,amy firaisa am-pagnahy, 2ataovo feno gny fifaliako amy fisaigna manahaky nazy ,amy fanagna fitiava mitovy,amy gny firaisa am-panahy sy amy gny fagnana tanjo mitovy.3Ka manao fitiavan-tena gna ganadratan-tena gna amin'ino na amin'ino.Lafa amy gngy fanetre tena koa mihevera gny hafa mihoatry gny vatagnareo. 4Tokony tsy hila ze mahasoa gny vatanareo avao nareo tsirai kiraikiraiky f gny mahasoa gny hafa avao koa.5Mihevera mitovy amy gny fisaina zay ao amin'i Jesosy avao koa. 6Fa nisy sorakin-Dragnahary I,fa tsy nieritseritry an'izay ho fitoviany amin-Dragnahary zay ro raha nifijkira I. 7Gny mifanihotry amin'izay,nofoanany gny vatany .Gnangala gny soraky gny mpanompo I,ka niseho ho mitovy amy gny olombelo I,tena nitovy tamy gny olombelo I. 8Gnagnetry tena I lasa mpankato hatramy gny fahafatesa,ilay fahafatesagny hazofijalia!9Ka noho zay nasandrati Ndragnahary ho farany agnabo I.Nomenany agnara amboni gny anara iaby. 10Nataony zay mba amy agnaran'i Jesosy ro handokalihany gny lohaliky iaby,gny lohalin-dreo zay any an-danitry sy ety an- tany ary any ambany gny tany. 11Nataony zay hanekeny gny lela aiaby fa Jesosy Kristy ro Tompo,ho voninahitrin-Dragnahary Baba.12Noho zay,ry malalako mitovy gny fanekenareo avao tsy eo amy gny fanatrehako avao mihoatry lavitry amy gny henaniky zao lafa tsy eo zaho,dia asehoy amy gny tahotry sy hovitry gny famonjea anareo. 13Fotony Ndragnahary ro miasa ao amy gnareo mba ho vonon-kanao ro sady hiasa ho agny fifalia gnareo.14Ataovo tsy am-pitaraigna ro tsy ampiadian-kevitry gny raha iaby. 15Manaova manahaky an'izay mba ho lasa Agnakin-Dragnahary tsy magnatsiny sady marina,tsy magna kilema ianareo. Miasa manahaki'izay mba hamirapiratanareo mitvy amy gny fahzava eo amin'izao tontolo izao, eo anivo gny taranaky meloky sady maheriloha. 16Mifikira mare amy gny teny gny fiaina mba hagnanako antony hirehareha amy gny andron'i Kristy. Amin'izay ho hay fa tsy very maiky gny nilesako ary tsy very maiky gny niasako.17Fa na hapetraky ho fagnatitry eo amy gny soro sy fanompom-pinoa aza zaho dia mifaly zaho ary miara -mifaly am-dreo iaby. 18Magnahaky an'izay koa ro hifalianareo,sady mifaly miaraky amiko gnareo.19Fa magnatena ao amin'i Tompo Jesosy zaho fa hagniraky an'i Timoty aminareo agny malaky,mba hatanjaky avao koa zaho lafa haiko gny raha mikasiky anareo. 20Tsy managn'olo hafa mitovy toe-tsay aminy zaho,nazy tena misahira gny amignareo. 21Fa reo iaby samby mila gny tombon-tsoany fa tsy gn rahan'i Jesosy Kristy.22Fa haimnareo gny fahamendrehagny,magnahaky gny zaza manompo gny babany ro nanompoani niaraky tamiko tao amy gny filazantsara. 23Manantena gny handefa azy zaho lafa hitako hoe manao akory gny fandehan-draha aty amiko. 24Mino an'i Tompo zaho fa ho avy any malaky gny vatako.25eritseritry zaho fa ilay gny magnampoly an'i Epafrodito amy ndreo any.Rahalahiko i no mpiaraky miasa sy vo mpiaraky mialy,sady mpanday hafatrinareo i no mpanompo amy ze ilaiko. 26Trapahoria mare i sady many gny hiaraky tamindreo iaby,fotony asa gnareo fa narary i. 27Narary i ka saiky maty.Fa namindra fo tagnaminy Ndragnahary sady tsy tagnaminy raiky avao fa tagnamiko koa,mba tsy hagnanako alahelo agnabon'ngny alahelo.28Ka amim-pahasahia bevata ro handefasako azy,fa lafa hahita azy draiky nareo de hifaly sady ho afaky iaby gny fagnahiako azy.29 Rambeso ao amy gny Tompo Epafrodito miaraky amy gny Fifalia iaby.Hajao gny olo magnahak'azy.30 Ho an'gny asan'i Kristy ro nandrinihany gny fahafatesa.Nanao soro gnainy i hanompoany ahy mba hahantanterakuy zay tsy afaky nataonareo tamy gny fanompoa tamiko.
Chapter 3

1Farany, rahalahy, mifalia amin'ny Tompo ao. Tsy manahira ahy gny manampoly manoratry an'ny raha reny ho anareo. 2Mitandrema amy gny amboa. Mitandrema amy gny mpanao raty. Mitandrema amin'reo fagnapa ratsam-abata. 3Fa tsika ro voafora. Tsika koa ro magnompo amin'ny Fagnahin-Dragnahary. Tsika koa ro mbo mipoera amin'ny Kristy Jesosy, no tsy mitoky amin'ny fo.4Na izay aza, zaho vatako, afaky mitoky amy gny nofo. Laha misy olo mihevitry fa i mana fahatokisa amin'y nofo, afaky manao mandilatrin'izay aho. 5Noforay tamin'ny andro faha valo ao, teraky tamin'ny olon'ny Israely, tamin'ny fokon'ny Benjamina, Hebreo tamin'ny Hebreo aho; asan'ny lalana, ka Fariseo aho.6Tamin'ny fahazotoam-po, nania gny fiangona aho; Laha an'ny famarina amban'ny lala, laha tsy manan-tsiny aho. 7Fa na ino na ino tombony ho ahy, laha nirambesiko ho fatiantoky ho ahy reny baka amin'ny Kristy.8Laha tena izy, nisaiko ho faty antoky iaby raha iaby baka amin'ny habevatan'ny fahaiza an'i Kristy Jesosy Tompoko. Baka aminy ro nanariako gny raha iaby. Nataoko ho fako iaby reny mba hazaoako an'i Kristy,9 ka ho hita Aminy ao aho. Tsy mana gny maha marina ahy baka amin'ny lily aho. Fa mana ndraiky gny fahamarina baka tamin'ny finoa an'i Kristy aho, fahamarina baka amin-Dragnahary mifototry amy gny finoa. 10Ka enaniky zao, te hahay Azy sy gny tanjakin'ny fitsangany tamy gny maty ndraiky gny fitambara amy gny fijaliany reny aho. Te hiova baka amin'ny anaran'i Kristy aho hitovy amy gny fahafatesany, 11mba hatsapako gny fitsangana amy gny maty.12Tsy marina fa fa nandramby raha iaby reo sahady aho, na koa lafatry mare aho. fa miezaky aho hahazo gny nahazaoan'i Kristy Jesosy ahy. 13Ry rahalahy, tsy mieritreritry aho fa fa nahazo an'izay. Fa misy raha raiky : Ambelako any gny raha fa lasa fa hiezaky ho an'ny ho avy aho. 14Miezaky manatratry tanjona aho mba hahazo gny fagnomeza gny antso baka ambony amin-Draganahary amin'i Kristy Jesosy ao.15Tsika iaby ze matotry, ao tsika mba ieritreritry manahaky an'izay; ka laha misy dinikinareo hafa mahakasiky gny raha iaby, laha ho atoron-Dragnahary aminareo koa zay. 16Kanefa, na ino na ino fa tratrintsika, ao le mba hitazo an'izay tsika.17Ao mba ho mpangala tahaky ahy, nareo rahalahy. Diniho mariniky reo mandeha manaraky gny ohatry hitanareo aminay ao. 18Maro reo mandeha, reo fa nivolagniko anareo matetiky, ka enaniky zao, mivola aminareo aho am-pitania manahaky gny fahavalo gny hazofijalian'i Kristy. 19Fanjavona ro fiafara ndreo. Ka kibony ro Ndragnahariny, gny fiheboan-dreo ro fahamegnarany. Mandiniky gny raha gny tany toy reo.20Fa andanitry any gny fanjakantsika, zay hiambenantsika mpagnavotry koa, tsy iha zay fa Tompo Jesosy Kristy. 21I ro hagnova gny vatantsika malemy mba ho vata manahaky gny vatany be voninahitry, natao tamin'ny tanjakan'ny fahefa mba hanenke gny raha iaby amin'ny vatany.
Chapter 4

1Noho zay, ry rahalahy malalako nahamany Ahy, fifalia ho ahy voho satro-boninahitsiko, aminizay la mijoroa soa Amy Tompo, nareo namako malala. 2Miangavy an' i Eodia Zaho, miangavy an'i Syntyke, mifandresa say amy Tompo.3 ka mangataky aminao avaokoa aho, ry namako mpitambatry zioga: Ampio ampela reo. Fotony reo ro niaraky niasa tagnamiko tamy fagneleza gny filazantsara niaraky tamin'i Klementa sy reo sisa nama mpiaraky miasa amiko iaby,ze fa aminy bokiny fiaina gny agnarandreo.4Mifali avao amy Tompo. Hoy avao aho, mifalia.5 Engao ho haign'olo iaby gny fahamoram-ponareo.6 Fa akaiky gny Tompo. Ka magneky na amign' ino na amign'ino. Fe koa, amy raha iaby aminy alalany vavaky sy fangataha, miaraky amy fisaora, engao gy fangatahinareo ho hain-Dragnahary.7 Gny fiadagnan-Dragnahary, zay mihoatsy gny fahalala iaby, hiaro gny fonareo voho gny fisaignanareo iaby aminy Kristy Jesosy.8Farany, ry rahalahy, na ino na ino marina, na ino na ino manan-kaja, na ino na ino gnara- drariny, na ino na ino ro malio, na ino na ino mahafinaritsy, na ino na ino gnambara fa soa, laha misy na inona ino ro tegna soa, laha misy na ino na ino tokony ho deray, ro mihevitry any raha iaby regny.9 Reo raha reo ze nianaranareo sy nirambesinareo sy nijanjigninareo sady hitanareo tagnamiko, ataovy raha regny ,gny Zagnahariny fiadana hiaraky aminareo.10Mifaly mare amy Tompo Aho fotony navaozindreo avao hananikizao gny fiheveranareo Ahy. Fa nihevitry ahy tokoa nareo taloka teo, fa tsy nisy fahafaha ho anareo mba hagnampy. 11Tsy mivola anizay aho fotony agnatiny tsy fahampia. Fa nianatry hifaly aminze toe-jaha miseho iaby aho.12 Haiko gny hoe mijaly sady haiko koa hoe mana maro. Amy fomba iaby sy amy raha iaby ro nianatsy gny tsiambarantelo gny fihinanam-be sy gny mosary aho, sady gny hoe mana maro sy gny hoa agnatiny tsy fahampia.13 Afaky manao gny raha iaby aho aminy alalany gnazy mampatanjaky ahy.14Kanefa, nareo nanao gny soa tagnamiko tamy fasahiragnako.15 Nareo Filipiana mahay fa tamy fagnombohany filazantsara, lafa nagnenga any Makedonia zaho, tsy nisy fiangona nanoha ahy laha gny mikasiky gny fagnomeza voho fandrambesa ankoatsy gnanao raiky.16 Na tamy zaho tagny Tesalonika aza, nandefa fagnampia ho gnan'izay nilako mihoatsy gny ndray mandeha nareo.17 Tsy hoe mila fagnomeza zaho. Fe, mila gny vokatsy ze mampiakatsy gny voninahitsy nareo zaho.18Nandramby any raha iaby reo zaho, sady mana maro. Fe feno zaho. Voaraiko baka amy Epafrodito reo raha iaby baka aminareo . Reo hagnatitsy magnim-pofo, ze fagnatitsy azo eke voho ankasitrahan-Dragnahary.19 Gny Zagnahary hameno ze iaby ilanareo araky gny haregny voninahitsy amy Kristy Jesosy. 20Sady ho an-Dragnahary ro Babantsika lehy gny voninahitsy mandrakizay doria. Amena.21Manaova veloma amy mpino iaby amingny Kristy Jesosy. Reo lelahy ze miaraky amiko ro manao veloma anareo.22 Reo mpino iaby ze eto manao veloma anareo, indrindra reo ze baka aminy ankohonan'i Kaisara ao. 23Gny fahasoavagny Tompo Jesosy Kristy lehy ho amigny fagnahinareo. [ Fagnamariha: Misy gny fandika sasany magnampy hoe: " Amena."]

Colossians

Chapter 1

1Paoly,apostolin'i Kristy Jesosy amign' alalan'gny sitrapo Ndragnahary, i Timoty rahalahintsika, 2ho agn'ireo mpino sy reo rahalahy mahatoky ao amign'i Kristy a Kolosia. Ho aminareo anie gny fahasoava, sy gny fiadana baka amin' gny Ndragnahary Babantsika. [Fagnamariha ambanin'ny pejy: misy dikan-teny sasany manampy hoe: "gny Tompo Jesosy Kristy"]. 3Magnome fisaora an-Dragnahary tsika, Baban'ny Tompontsika Jesosy Kristy, sady mivavaky mandrakariva ho anareo zahay.4Fa renay gny finoanareo agn'i Kristy Jesosy sy gny fitiava ze agnanareo ho agn'izay iaby voatoka ho an-Ndragnahary. 5Magna agn'izay fitiava zay nareo noho gny fanantena azo antoky natoka ho anareo an dagnitsy agny. Renareo gny momba io fanantena azo antoky io talohagn'ny teny fahamarigna, gny filazantsara,6 ze avy aminareo. Ty filazantsara ty de minday vokatry sady mitombo erakign'izao tontolo zao. Ze fa nanao agn'izay taminao avao koa nanomboky tamign'andro naharezanao azy sy nianara nareo gny momba gny fahasoava Ndragnahary ao amign'ny marina.7Ty gny filazantsara ze araky gny nianaranareo tamign'i Epafra, le mpiara-manompo malalantsika, ze mpanompo mahatokign'i Kristy amign'anarantsika. [Fanamariha ambany gny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "Amign'anaranareo"] 8Nampahafantarign'i Epafra anay gny fitiavanareo gny Fagnahy.9Noho io fitiava io, hatramign'andro naharezanay an zay, tsy nitsahatry nivavaky ho anareo zahay. Nangataky zahay mba ho feno fahalala gny sitrapony amign'ny fahendrea iaby sy fahalala ara-pagnahy nareo. 10Nivavaky zahay mba handehananareo amin-pahendrea ao amign'ny Tompo amy reo fomba ankasitrahy Ndragnahary. Nivavaky zahay mba hamokatry amign'asa soa iaby nareo sady mba hitombo fahalala an-Ndragnahary.11Mivavaky zahay mba hahazo hery amign'ny fahaiza iaby nareo araky gny voninahitry amign'ny fiareta sy gny fahareta. 12Mivavaky zahay mba hagnome fisaora agn'ny Babantsika am-pifalia nareo, ze nahafaha nareo hana anjara amign'ny lova gny mpino amign'ny fahazava [Fagnamariha ambany gny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "ze nahafahantsika magna anjara"]13Namonjy antsika tamign'ny fanapaha gny haiziky sy namadiky antsika ho amign'ny fanjaka gny anaky lahy malalany i. 14Ao amign'ny anaky lahiny ro agnanantsika gny fagnavota, gny famela reo fahota. [Fagnamariha ambany gny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "Ao amy gny anakiny ro ananantsika fanavota amign'alalan'ny liony, de gny famela reo fahota"]15Gny anaky lahy de endriky Ndragnahary tsy hita maso. I le teraky voalohany tamign'ny faharia.16 Fa tamign'alalany ro naharia gny raha iaby, reo ze an-dagnitsy any sy reo ze ambony gny tany, reo raha hita maso sy reo tsy hita. Na seza fiandriagna reo,na fagnapaha, na reo fitondra-mpanjakana, na reo manam-pahefa, reo raha iaby reo ro noharia tamign'alalany sy ho azy.17 I ro alohagn'ny raha iaby, sady aminy ao ro haharetagn'ny raha iaby.18I ro lohagn'ny vata, sy gny fiangona. I ro fiandoha sy teraky voaloha baka agnivon'ireo maty, ka i ro nana toera voalohany tagnivon'ny raha iaby. 19Satria sitraky Ndragnahary gny tokony gny hiaina gny fahatsaragny iaby aminy ao,20 mba hampihavana amin'gny alala gny anaky lahy amign'ny raha iaby tamign'ny vatany. Zagnahary nihava tamy gny lalan'ny lion'ny hazo fijalia. Zagnahary ro nampihava gny raha iaby tamign'ny vatany, ndre gny raha iaby ambony gny tany eto ndre reo raha iaby an-dagnitsy any.21Tamigny fotoa raiky, nareo koa, de vahiny tamin-dragnahary sady fahavalony tan-tsaigny tao sy tamign'ireo asa raty.22 Henanaky zao i ro nampihava anareo tamign'ny vatany manontolo tamy gny alalan'ny fahafatesa. Nataony zay mba hanaova anareo ho masina, tsy hanam-pondro agnatrehany eo, sy hangala baraka azy noho gny fagnaratia,23 laha tohizanareo amign'ny finoa, miorina sy mafy orina, ka mihataky amign'ny fanantena mahatokign'ny filazantsara ze nirenareo. Ty ro filazantsara ze nagnambara tamign'olo iaby noharia ambany gny lanitry. Ty ro filazantsara ze nahavy ahy, Paoly, ho mpanompo.24Henanaky zao aho de faly amign'ny fijaliako ho anareo, sady zaho namegno gny nofoko ze tsy ampy amign'ireo fahoriagn'i Kristy noho gny vatany, gny fiangona.25 Noho gny fiangona ro naha mpanompo ahy, araky gn' andraikitry baka amy Ndragnahary ze nameany ahy ho anareo, mba hahatanteraky gny tenin-Dragnahary.26 Io ro marina mivogny nandritry gny tao maro sy ho agn'ny taranaky reo. Fa henanaky zao, fa niseho raha zay tamign'izay mino azy.27 Tamin-dreo ro tian-Dragnahary nampahafantary ireo harea gny voninahitr'ity fahamarigna mivogny ty teo agnivon'ny jentilisa. Zay de Kristy ro aminao ao, le toky gny voninahitry ho avy.28I le nitorianay. Nagnanatry gn'olo iaby iaby zahay, sady nampianatry gn'olo iaby tamin-fahendrea iaby, mba hanolorantsika gn'olo iaby feno amign'i Kristy.29 Noho zay de miasa mafy sy miezaky aho araky gny tanjakiny ze miasa amiko ato amign'ny hery.
Chapter 2

1Tiako ho hainareo gny habevata gny tolo nataoko ho anareo, ho an-dreo a Laodikia, sy ho agn'ireo maro mbo tsy nahita gny tarehiko tamign'ny nofo. 2Miasa aho mba hampahery gny fon-dreo amign'ny fampiraisa an dreo miaraky amign'ny fitiava sy harea iaby amy gny fahalala azo antoky, ho amin'gny fahalala gny fahamarigna mivonin-Dragnahary, zany hoe, i Kristy.3 Aminy ao gny harea gny fahendrea sy ze fahalala iaby mivogny.4Mivola agn'izay aho mba tsy hisy hitariky anareo amign'ny lahateny mandresy lahatsy.5 Ndre tsy miaraky aminareo amy gny nofo aza aho, de miaraky amy nareo amign'ny fagnahy. Faly aho mahita gny filaminanareo, soa, sy gny tanjaky gn'ny finoanareo an'i Kristy.6Laha nandramby an'i Kristy Tompo nareo, de mandehana aminy ao.7 Mifotora mare aminy, mioregna amign'ny finoa ze fa nampianary anareo sady mazotoa manome fisaora.8Mitandrema mba tsy hanenga olo hisambotry anareo amin'gny alala n'ny filozofia na gny fitaky araky gny fanao gn'olo, ze magnaraky gny endrikin'izao tontolo zao, fa tsy araky gn'i Kristy. 9Fa aminy ao ro mitoetra gny fahatsara gny tenan-Dragnahary iaby.10Feno nareo aminy ao. I ro loha gny hery sy fahefa iaby.11 Tamigny tao koa nareo ro noforay tamign'ny famorà ze tsy natao gn'olombelo amin'gny fagnesora gny nofo amign'ny vata, fa tamin'gny famoragn'i Kristy. 12Niaraky nalevy taminy tamin'gny batisa nareo, sady taminy tao ro nanangana anareo tamin'gny alala n'ny finoa maheri-Ndragnahary, ze nananga azy tamin' gn'ireo maty.13Taminareo maty tamin'gny fahota sy gny tsy fahavitagn'ny nofonareo gny famorà, i ro namelo anareo niaraky tamigny sy namela antsika tamign'ireo fahotantsika iaby. [Fagnamariha: misy dikan-teny taloha sasany mivaky hoe: "ka namela gny fahotantsika iaby"] 14Nifinafany gny rakitsoratrign'ny trosam-pagnafaha sy reo fitsipiky nifagnohitry tamintsika.15 Nirambesigny raha iaby zao ka nifantsihiny tamin'gny hazo fijalia. Nirambesigny koa reo hery sy fahefa, ka i ro nanao fampisehoa ampahibemaso an-dreo, nandresy mihoatry an-dreo tamin'gny hazo fijalia.16Koa, ka ambela hitsara anareo na amin'gny fihinana na amin'gny fisotroa, na amign'andro fety na amign'ny vola vaovao, na amign'andro Sabata.17 Zay ro aloky gny raha ho avy, fa gny tena i de i Kristy.18Ka enga hisy ndra ia ndra ia ze mila gny fanetren-tena sy gny fideran'ny anjely hitsara anareo ka tsy hahazoanareo gny lokanareo.Gn'olo manahaky anizay miditry amin'gny raha hijery hitany, manjary misehiseho amin'gny fisay gny nofony. 19Tsy mitazo gny lohany i. Zay baka amy gny loha nomen-Dragnahary gny vata manontolo manera ireo vanin-taolany voho gny hozany zay magnome ka mita zay iaby zay mitambatry;zay mihamaro amin'gny firoboroboa nomen-Dragnahary .20Laha maty niaraky tamign'i Kristy nareo tamign'ny endriky gny zao tontolo zao,nagnino nareo ro miay manahaky gny voafehy amin'gny tany: 21"Ka mba mihodiky,ka magnandra ka mikasiky"? 22Zay raha iaby zay ho any fahalova ,araky gny torolala voho gny fampianara gnolombelo.23 Regny fitsipiky regny mana fahihira gny momba gny fivavaha,gny fanolora-tena gny vatany.Fa nareo tsy manan-danja amin'gny fanohera gny fandefera gny fila gny vata.
Chapter 3

1Koa laha Ndragnahary ro nananga nareo niaraky tamy Kristy, Ilao reo laha agny ambony, zay ifitahagn'i Kristy eo an-tagnan-kavagn-Ndragnahary. 2Eritrereto reo laha agny ambony, fa tsy reo raha eto an-tany. 3Fa efa maty nareo, gny fiaignanareo mivony miaraky amy gn'i Kristy ao amy gny Ndragnahary. 4Lafa miseho i Kristy, zay fiaignanareo, nareo hiara-hiseho amigny ao amim-bonignahitry. [Fanamariha egny ambany gny pejy: reo dikan-tsafa taloha sasany mivola hoe: ''Lafa miseho Kristy, zay fiaignanareo, nareo avao koa hiara-hiseho miaraky amigny am-boninahitry.]5Vonoy,bakeo, reo mpikamba zay eto an-tany gny filan-draty, fahalotoa, fireheta gny fila,faniria raty, ary fahatenda,ze fanompoan-tsampy. 6Lafa regny raha regny ro haha avy gny fahasiakiany Ndragnahary amindreo gnanaky gny tsy fankatoava. [Fanamaria egny ambany gny pejy: Gny dikan-teny taloha sasany mivaky hoe: ''Lafa regny raha regny ro maha avy gny fahasiakian-Dragnahary.''] 7Tao amindreo raha zay nandehanareo regny taloha avao koa lafa mbola miay tao amindreo nareo. 8Fa hanakizao nareo tsy maintsy manary regny raha iaby regny raha iaby regny fahasiakany, fahavignira, reo fikasan-dratsy, reo fanevateva safa fahavetaveta baka amign'ny vavanareo.9Ka mifagnavandy,fa efa ragnirianareo gny toetry taloha miaraky amindreo fampiara zay. 10Ary nisikinanareo gny toetry vaovao zay nohavaozy ao amy gny fahalala araky gny endry zay namoroa azy. 11Ao amy zay tsy misy Grika voho Jiosy, voatapaky voho gny tsy voatapaky, barbariana, Skytiana, andevo, olo afaky, fa i Kristy ro iaby, sady ao amign'ny iaby.12Ka misiky araky gny maha-olom-boafilin-Dragnahary, masy sady malala, famindram-po, hatsaram-pagnahy, fanetrehan-tena, fahalem-pagnahy, fahareta. 13Mifandrambesa soa, mifamelà. Lafa misy olo raiky mana tsetse mankasiky gny olo hafa, mamelà azy toy zay namelany Tompo amareo. 14Agnambonareo raha iaby zao, managnà fiteava, zay mifehy antsika amy gny fonareo.15Aoka gny fiadagann'i Kristy hagnapaky ao amign'ny fonareo. Fa ho an'zay fiadagna zay ro nikaihany anareo ho vata raiky. Sady misaora. 16Aoka gny fiadagnan'i Kristy hanapaky ao amy gny fonareo. Amy gny fahihira iaby tokony mifampianara, mifagnanara amindreo salamo voho fihira, hira ara-pagnahy. Mihirà amy gny fisaora ao am-ponareo ho an-Dragnahary. 17Ndre ino ndre ino ataonareo, ndra any gny teny ndra any gn'asa, fa ataovy amy gn'agnarany Tompo Jesosy gny raha iaby. Magnomeza fisaora ho an-Dragnahary lay Ray amy gny alalany.18Nareo ampela, magneke gny valinareo, zay ro mety ao amign'ny Tompo. 19Nareo johary, teavo gny valinareo ka masiaky amy nareo. 20Nareo agnaky, magnekea gny ray aman-dreninareo amy gny raha iaby, fa zay ro ankasitraha ao amy gny tompo. 21Nareo Baba, ka manao zay mampalahelo reo gnanakinareo, mba tsy ho kivy reo iaby.22Nareo andevo, manekea gny tomponareo araky gny nofo dreo raha iaby, tsy amy gn'asa eo imaso toy zay olo mpila sitraky, fa amy gny fo tsotra. Mavosoa gny Tompo. 23Ndra ino ndra ino ataonareo, miasà avy amy gny fagnahinareo toy gny ho any Tompo fa tsy ho any olo. 24Hainareo fa nareo handramby gny valisoa gny lova avy amy gny Tompo. I ro Tompo Kristy zay tompoinareo. 25Fa zay manao gny tsy fahamaria handramby gny heloky ho any gny tsy fahamaria zay nataony, tsy misy fijerevan-tava.

Chapter 4

1Nareo Tompo, omeo reo andevo zay marina voho rariny. Hainareo fa nareo koa mana Tompon raiky any an-dagnitry.2Mahareta mandrakariva amy gny fivavaha. Miambena amign'zay amy gny fanomeza fisaora. 3Miaraha mivavaky ho anay avao koa, mba hanokafagn-Dragnahary varavara ho any teny, mba hagnambara gny fahamarina miafin'i Kristy. Noho zao, voafatotry zaho. 4Mivavaha mba ahafahako magnazava zao lafa tokony hivola zaho.5Mandeha amy gny fahihira agny amindreo zay agny ivelany, araraoty gny fotoa. Aoka gny safa nareo hiaraky amy gny fahasoava hatrany. 6Aoka reo ho vonton-tsira, mba hahafahanareo mahay gny fomba tokony hamalianareo gny olo kiraikiraiky.7Lafa reo raha mankasiky ahy io, là i Tykyko ro hampahay nareo. I, rahalahy malala, mpanompo matoky, mpiara-manompo ao amy gny Tompo. 8Nalefako agny aminareo I noho zao, mba ahafahanareo mahahay gny raha mankasiky anay, sady mba ahafahany mampahery gny fonareo. [Fanamariha agny ambany gny pejy: reo dikan-tsafa sasany taloha mivaky hoe: ''nalefako agny aminareo I noho zao mba ahafahany mahay reo raha momba nareo, mba ahafahany mampahery gny fonareo.''] 9Nalefako I niaraky tamign'i Onesimosy, lay rahalahy mahatoky sady malala, zay raiky aminareo. I reo ro hivola aminareo gny raha iaby zay fa niseho taty.10Aristarko, lay miara-migadra amiko, miarahaba anareo, tahaky zay koa i Marka, longogn'i Barnabasy (zay nahazoanareo baiko, raha mandeha any aminareo I ka mba raiso}, 11sady Jesosy avao koa zay nikaiky hoe Josto, reo avy amy gny voatapahy reo avao ro mpiara-miasa amiko ho any gny fanjakan-Dragnahary. Fampionona ho ahy I reo iaby.12Epafra miarahaba anareo. Raiky aminareo mpanompon'i Kristy Jesosy. Nitolo am-bavaky ho anareo avao I, mba hahatanteraky anareo hahazo antky tanteraky ao amy gny sitrapon-Dragnahary iaby. 13Fa mijoro vavolombelo ho azy zaho, fa miasa mafy ho anareo I voho ho anareo agny Laodika, ho anareo zay agny Hierapolia. 14Lioka lay mpitsabo malala voho Demasy manao nahoa nareo.15Ataovy nahoa reo rahalahy agny Laodika voho Nymfa, sady gny fiangona zay ao am-tsagnony. 16Lafa voavaky ao aminareo ity taratasy ity, ataovy vakiny ao amy gny fiangonany Laodikiana avao koa, ataovy vavakinareo avao koa gny taratasy avy agny Laodika. 17Ambarao i Arikipon hoe: ''Tandremo gny asa fanompoa zay norambesiny tao amy gny Tompo, fa tokony ho tanterahinareo zay.''18Ity fanaovam-beloma ity ataony gny tanako manokany-Paoly. Tiarovy gny fifehezako. Ho aminareo anie gny fahasoava.

1 Thessalonians

Chapter 1

1Paoly, Silasy, sy Timoty handeha am-piangonan'gny Tesaloniana amin-Dragnahary Ray voho Jesosy Kristy Tompo. Ho aminareo gny fahasoava voho gny fiadagna. [ Fagnamariha: Gny dikan-tsafa sasany taloha ro mivaky hoe:" Ho aminareo gny fahasoava voho gny fiadagna baka amin-Dragnahary Ray voho jesosy Kristy Tompo."]2Manao mahavelo bevata an-Dragnahary zahay aminareo iaby, ka manogno anareo amin'gny vavaky nay. 3Zahay laha tsy miegny gny mahatiaro anareo agnatrehan-Dragnahary Babantsika gny asa gny finoanareo, gny asa gny hateanareo, voho gny fatokisanareo maharitry ho avy amin'i Jesosy Kristy Tompontsika agny.4Ro rahalahy tean-Dragnahary , hainay fa I ro finily anareo, 5fotony gnanay gny filazantsara ro niavy taminareo fa tsy tamin'gny safa avao, baka amin'gny hery avao koa, baka amin'gny Fanahy Masna. Manahaky an'izay, nareo avao koa ro mahay gny hoe olo manao akory tegna toy taminareo teo.6Nanjary nanahaky anay voho gny Tompo koa nareo, tamin'gny nandrambesanareo gny safa tamin'gny fasahiragna bevata voho gny tamin'gny fisinisinia baka amin'gny Fanahy Masina. 7Vokatry gny raha zay, nanjary lasa fagnohara ho andreo iaby ze mino a Makedonia voho Akia nareo.8Baka aminareo ro nagnatoroa gny safa gny Tompo, sady tsy t'a Makedonia voho Akaia avao. Fa, mbegnimbegny ro niely gny finoandreo an-Dragnahary. Vokatry gny raha zay, tsy ilantsika koa gny mivola ndre ino ndre ino. 9Fa reo avao ro hivola ze fandrambesa azonay tamindreo. Reo mivola gny fomba nitolihandreo tamin-Dragnahary ka niala tamin'gny sampo mba hagnompo an-Dragnahary velo voho marina. 10Reo ro nanao radio babaky fa nareo ro mandigny gny Anakiny baka an-dagnitry, gnazy natsangany tamin'gny maty. jesosyzay, mpagnafaky antsika amin'gny siaky hoavy.
Chapter 2

1Fa gny vatanareo de mahay, ry rahalahy, fa gny fiavianay tamy nareo tetoa de tsy foa.2 Hainareo fa taloha teo de nijaly sady nalà- baraka ta Filipy tagny zahay. Zahay mahasaky tamin-Ndragnahary nay hivola taminareo gny filazantsara-Ndragnahary tagnatin'ny fanohera bevata.3Satria gny fanagnaranay de tsy baka amign'ny fahadisoa, na tamign'ny fahalotoa, na baka amign'ny fitaky. 4Fe koa, araky gny nankatoavi-Ndragnahary mba hinoa gny filazantsara, noho zay de mivola zahay, tsy hampifaly gn'olo, fa hampifaly an-Ndragnahary. I le malala gny fonay.5Satria tsy mampiasa ndre ombia ndre ombia gny teny fandokafa zahay, araky gny hainareo, na koa ho fialan-tsiny amign'ny fitsiririta, satria Zagnahary ro vavolombelonay.6 Na koa nila gny voninahitry baka amign'olo zahay, na koa baka aminareo na baka amy reo hafa. Zahay de afaky nitaky reo tombotsoa manahaky agny apostolin'i Kristy.7Fe koa, zahay de tsotra taminareo, manahaky gny neny mankahery gny anakiny naterakiny. [Fagnamariha: Reo dikan-teny hafa sasany de mivaky toy zao: "Fe koa, zahay de manahaky gny zaza maliniky taminareo, lafa mankahery gnanakiny naterakiny gny neny"] 8Manahaky an zay ro nagnananay fitiava ho anareo. Faly zahay mizara aminareo, tsy gny filazantsara an -Ndragnahary avao, fa gny fiaigna nay manoka koa. Satria nareo de manjary malalanay koa.9 Satria tiaronareo, ry rahalahy, gny asanay sy gny fisasaranay. Andro amagn'aly ro niasanay mba hampandesanay gny mavesatry amy gny raiky aminareo. Nandritry gn'izay fotoa zay, de nitory gny filazantsaran-Ndragnahary taminareo zahay.10Nareo ro vavolombelo, sady Ndragnahary avao koa, Masina, marina, sady tsy magnan-tsigny gny fitondran-tenany taminareo ze mino. 11Manahaky an zay avao koa de hainareo hoe manao akory gny nataonay taminareo tsirairaiky aby toy gny natao gny Ray tamign'ny anakiny naterakiny,12 niangavy sy nankahery sady nandrisiky anareo zahay mba handeha amign'ny fomba mendriky an- Ndragnahary, ze mikaiky anareo ho amign'ny fanjakany sy gny voninahiny manoka.13Fa zay antony zay ro hisaoaranay an-Ndragnahary mandrakariva. Fa nareo lafa nandramby gny hafatry Ndragnahary baka aminay ze nirenareo, de nirambesinareo zany, tsy manahaky gny resaky gnolo. Fe koa, nirambesinareo arakign'ny marina, de gny tenin-Ndragnahary. Zay teny zay avao koa ro miasa aminareo ze mino.14Satria nareo, ry rahalahy, de tahaky gny fiangonan'ny Zagnahary a Jodia ze baka amign'i Kristy. Fa nareo koa de nijaly tamign'ny reo raha reo avao noho gny nataon'ny mpiray tagnindraza aminareo, manahaky gny nanjo azy reo avao koa noho gny nataon'ny Jiosy taminy.15 Jiosy reo ro namono an'i Kristy na mpaminany reo. Jiosy reo ro nandroaky anay. Tsy nankasitraky an'Zagnahary reo. Fe koa, reo de fahavalogn'olo iaby. 16Reo de nandrara anay tsy hivola amign'ny jentilisa reo mba tsy hamonjea an dreo. Vokatrin'izay de mameno gny fahotany gny tenany mandrakariva reo. Gny fahatezera de tsy maintsy avy amindreo amign'ny farany.17Tafasaraky taminareo zahay, ry rahalahy, nandritry gny fotoa fohy,tamign'ny fagnatreha fa tsy tamign'ny fo. Tena nazoto fatratry zahay, nagniry mare gny ahita gny tarehy nareo. 18Satria nagniry gny ho aminareo agny zahay, zaho, Paoly, matetitetiky, nefa nanaka anay i satana.19 Fa ino moa gny fanantenanay gny ho avy, na fifalia, na satro-boninahitry gny fandresea anatrehagn'i Jesosy Tompotsika amign'ny fihaviany? Moa nareo tsy manahaky an sasany hafa reo koa? 20Fa nareo ro voninahitry nay sy fifalianay.
Chapter 3

1Noho izay, lafa tsy afaky niaritry koa, de vinetsivetsinay fa soa gny mitoka raiky t' Atena tao. 2Nalefa an'i Timoty zahay, rahalahinay voho mpiara-miasa ho gnan-Dragnahary ao amin'gny filazantsaran'i Kristy,mba hagnely voho hampatanjaky gny finoanareo. [Fagnamariha: Gny dikan-tsafa sasny hafa taloha ro mivaky hoe:" Nalefanay i Timoty, rahalahinay voho mpanompon-Dragnahary ao amin'gny filazantsaran'i Kristy."] 3Nataonay aha zay mba tsy hisy olo ho tofotry noho gny fahoria reo. Fa gny vatanareo ro mahay fa zay ro iraky nampanaovy antsika.4La to vatany, laha zahay ro niaraky taminareo, fa nivola sandrany fa tsy maintsy hampijalea, laha intia tokoa, araky gny fahaizanareo. 5Noho zay fotony zay, lafa tsy naharitry koa zaho, nagniraky mba ahaizako gny finoanareo. Vasa gny mpangala fagnahy ro fa nangala fagnahy anareo, sady tsy hisy dikany gny asantsika.6Avy taminay tatoy baka aminareo i Timoty sady nanday vaovao mahasariky gny finoa voho gny hateanareo ho gnanay. Nivola taminay i fa nareo ro mana fahatsiarova soa ho gnanay avao, sady nareo ro magniry mare gny ahita anay manahaky gny fagnirianay te ahita anareo.7 Noho zay, ry rahalahy, zahay ro nampaherezindreo noho gny finoanareo, t'agnatin'gny fafozora voho gny fahoria iaby.8Henaiky io zahay velo, laha mipitiky mare amin'gny Tompo nareo.9 Fisaora manao akory ro aonay amea Ndragnahary gny aminareo, tamin'gny harvoa iaby zay anagnanay t'akaiky Ndragnahary noho gny aminareo? 10Mivavaky mare maraindray laha potaky haliky zahay vasa hosabony ahita gny sorakinareo voho gny hagnome ze tsy ampy amin'gny finoanareo.11Ndragnahary Babantsika, voho Jesosy Tompontsika vasa, hampahinty gny lalanay handea aminareo agny. 12Logniko gny Tompo ro hampitombo voho hampandroso gny hateanareo gny hafa koa voho gny olo iaby, manahaky gny ataonay aminareo io koa.13 I ro hagnamafy gny fonareo, ka mba tsy hanagnan-tsiny amin'gny fahamasigna reo agnatrehan-Dragnahary Babantsika, amin'gny fiavian'i Jesosy Tompontsika.
Chapter 4

1Farany, ry rahalahy, mampatanjaky sy mananatry anareo zahay amin'ny Tompo Jesosy ao. Laha nahazo gny fampianara baka aminay momba gny fomba mila handehananareo sy hamalifalia an-Dragahary nareo, de gny amin'io lily io koa, mba manaova mihoatry an'azy io koa. 2Fa nareo, nahafantatry an'ireo fampianara nomenay anareo reo baka tamin'i Jesosy Tompo.3Fa zao ro tian-Dragnahary, ho amasiny reo, mba hilan-dreo amin'ny fanaova raty, 4hahaizan'ny raiky raiky iaby aminareo gny fomba hazahoa gny fanaky gny tenany amin'ny fanamasina sy voninahitry,5 tsy amin'ny fitiava raha raty (manahaky reo jentilisa tsy mahay an-Dragnahary). 6Ka ao mba tsy hisy olo hanaraty gny rahalahiny amin'ny raha zay. Fa gny Tompo ro mamaly amin'ireny raha iaby reny. Nanahaka gny nivolananay taloha sy gny nanaovanay vavolombela taminareo.7Fa Ndragnahary tsy nikaiky anay ho amin'ny fahalotoa fa ho amin'ny fahamasina. 8Laha izay, zay manohitry anizay, tsy manohitry olo fa manohitry an-Dragnahary nanome gny Fangnahy Masy ho andreo.9Mikasiky an'ny fifankatiava gny mpirahalahy, tsy mila olo hafa nareo hanoratry ho anareo, fa nareo fa nampian-Dragnahary mba hifankatia. 10Ataovy nareo marina zay, ho an'ny rahalahy iaby manondidy an'ny Makedonia. Fa zahay, mananatry anareo, rahalahy, mba hanao mandilatry.11 Manitsy anareo avao koa zahay mba hianatry iay milamy, hieritreritry gny asanareo koa, hiasa koa amin'ny tagnanareo, manahaka gny nivolaninay anareo, 12mba hahay iay soa nareo ho hitan'ny tsy manam-pinoa, ka tsy hisy hijalia.13Fa halanay tsy ho hainareo, rahalahy, gny mahakasiky reo fa maty, mba tsy hanananareo halahelo manahaky an'ireo tsy mana antoky gny amin'ny fiaina mbo ho avy. 14Fa laha mino tsika (manenky marina) fa Jesosy, maty, bakeo nivelo ndraiky, laha manakan'izay ro andaisain-Dragnahary miaraky amin'i Jesosy reo zay fa maty niaraky taminy.15 Fa zao ro ambaranay anareo tamin'ny safan'ny Tompo, fa tsika ze velo, tsika sisa tavela amin'ny fiavian'ny Tompo, tsy hioatry reo nimaty taloha.16Fa gny vatan'ny Tompo ro hijotso baka an-danitry any. Ho avy miaraky amin'ny feo mare I, miaraky amin'ny feon'ny Arkanjely, ary miaraky amin'ny trompetran-Dragnahary, ka gny maty amin'i Kristy ro hitsanga voalohany. 17Bakeo, tsika ze velo, ze sisa tavela, hiaraky hiakatry amindreo amin'ny rahona ka hifanojo amin'ny Tompo amin'ny lanitry eny. Amin'izay, hiaraky amin'ny Tompo isanandro tsika.18 Ka baka amin'izay, mifampahereza amn'ny safa reo.
Chapter 5

1Henany zao mikasiky reo fotoa sy vanim-potoa, rahalahy, tsy mila ndra ino ndra ino voasoratry ho an-dreo nareo. 2Fa nareo ro mahay soa fa gny andron'ny Tompo ho avy mitovy gny fiaviany mpangalatry aliky. 3Lafa misafa reo :'' Miada sy milamina,'' fagnapotea tampoky ro ho avy amin-dreo. Ka hitovy faharary amin'ny ampela mavesatry lafa miteraky. Ty afaky hilay mihitsy reo.4Fa nareo rahalahy. Tsy agnatin'ny mahiky ro tsy hatratry anareo tampoky manahaky gny mpangalatsy gny andro.5 Fa nareo iaby agnaky gny mazava sy gny andro. Tsy agnaky gny aliky tsika na gny haiziky. 6Baka amin'izay, andao tsika tsy hiroro mitovy amy gny fahota gny sasany. Fa ao tsika hiamby sy haharitry. 7Fa reo mbo miroro, manao an'izay amin'ny aliky na koa reo mamo manao an'izay amin'ny aliky koa.8Laha mbo agny androtsika, ka tsy maintsy maharatry tsika mana gny finoa sy fitiava ho fiarova tratra, ka ho antoky gny famonjena amy gny ho avy ho fiarov-dohantsika. 9Ndragnahary tsy nitondro antsika ho amy siaky fa mba hahazo gny famonjea baka amin'i Jesosy Kristy Tompontsika.10 I ro maty ho antsika, ndra mifoa ndra miroro tsika, laha afaky miaraky miay Aminy. 11Ka baka amin'izay, mifampa-tanja sy mifampijery nareo, mitovy amy gny fa anatao nareo avao.12Mangataka aminareo zahay rahalahy, mba hanenke nareo zay manome gny ainy aminareo sy manday anareo amin'ny Tompo ro magnanatry anareo. 13Mangataky aminareo avao koa zahay mba hanaja andreo am-pitiava amin'ny asandreo. Mihava amy gny aignareo. 14Magnanatry anareo zahay rahalahy : mivolana gny fikorota, hapatanjao reo kivy, hampio reo malemy, mahareta amin'ny raha iaby.15Tsy misy olo mamaly raty gny raty na amin'iha na amin'iha. Fa mitadiava gny soa ho an'ny tsiraiky raiky sy ho an'olo iaby.16 Mifalia isanandro. 17Ka miheny mivavaky. 18Misaora amy gny raha iaby. Fa zay ro tian-Dragnahary baka amin'i Jesosy Kristy.19Ka mamono gny Fagnahy.20 Ka manao tsinotsino reo faminania.21 Andramo gny raha iaby. Rambeso ze soa. 22Ambelao any gny aty.23Ndragnahary gny fiadana ne hampamasy anao mare. Ka gny fagnay nareo iaby, gny fiaina ndraiky gny vata mba ho tazomy tsy hisy fahota amin'ny fitiavan'i Jesosy Kristy Tompotsika.24 Matoky I mikaiky anao, ny Azy raiky hanao azy koa.25Rahalahy, mivavaha ho anay koa. 26Ataovo nahoa amin'ny oroky masy rahalahy amin'ny Tompo iaby. 27Mangataky aminareo amin'i Tompo zaho mba hamakia an'ity taratasy ty amin'ny rahalahy iaby. 28Ho aminareo le gny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompotsika.

2 Thessalonians

Chapter 1

1Paoly sy Silasy ary Timoty,ho agny amu gny fiangonanareo Tesaloniana ao amin-Dragnahary Babantsika sy Jesosy Kristy tompo. 2Ho aminareo iaby agni gny fahasoava sy gny fiandana baka amy an-Dragnahary Babantsika sy Jesosy Kristy Tompo3Zahay tokony hgnome fisaora an-Dragnahary ho anareo tsy misy,ry rahalahy.Fa zay ro soa atao,fotony mitombo fatratry gny fignoa gnareo ,ary gnya fitiavanareo tsiraikiraiky fa mitombo ho any hafa. 4Noho zay fe zahay mivatany ro mivola ampirehareha miaro andreo io aminareo fiangonan-Dragnahary. zahay mivolagny momba gny fiaretanareo gny finoanareo tamy zay iaby nagnenjiky anareo.Nivola momaba gny fahoria zay niaretanareo. 5Zao famantara gny fitsara marin-Dragnahary zay nifalianareo. Gny vokany ho rambesy ho mendriky gny fanjakan-Dragnahary zay nijalianareo.6Marina ami-Dragnahary gny hamly fahoria ndreo zay nampijaly anareo,7 ary hagnome fitahara hoandro zay mampijalia niaraky taminay.Ho ataony zay amy gny fisehoan'i Jesosy Tompo baka agny an-dahnitry miaraky amindreo anjely gny heriny. 8Ao amy afo milelalela ro hanamboara gny valifaty amindreo zay tsy mahay an-Dragnahary sy amindreo zay tsy mamaly gny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika.9Gnareo hhijaly amy gny famaizany gny fandringa mandrakizay lavitry gny fanatrehany Tompo sy gny vonianahitry gny heriny. 10Hanao zay i lafa avy amy gny andro zay mba hagnomeza gn'olo voninahitry sy ho tseriku zay mino.Fa gny fijoroa vavolombelo aminareo gnino.11Noho zay de mivavaky mandrakariva ho anareo avao koa zahay.Mivavaky zahay mba ho mendriky gny ho rambesin-Dragnahary tsika amy gny fikeha nareo.Mivavaky zahay mba ho tanteraky amy gny hery gny fanirianaro gny fahaosava sy gny asa gny finoa iaby. 12Mivavaky ho andreo laha nareo mba omenareo vonihatry gny agnaran'i Jesosy tompontsika.Mivavaky zahay mba hagnomeza voninahitry agnareo,noho gny fahasoavan-Dragnahary ntsika sy Jesosy Tompo.
Chapter 2

1Hegnaniky zao gny momba gny fiavian'i Jesosy Kristy Tompotsika sy gny nanango antsika iaraky aminy :magnontany anareo zahay ry rahalahy, 2mba tsy ho mora hososisositry na hihorohoro nareo,na amy gny fagnahy ,na amy gny hafatry ,na amy gny taratasy zay toy gny hoe ho avy aminay,noho gny vokatr gny fiaviany zay andro gny Tompo zay.3Ka enga hisy olo hamitaky anareo na amy gny fomba ahoa.fa tsy ho avy zay laha tsy afara gny fihavia gny filavoa,ary gny johary mbpandika lala aseho ,gny gnanaky gny fahasimba.[ Fanamariha: Gny dikan-tsafa taloha gny sasany mivaky hoe:"ka gny johary mpanota ho hatoro"]. 4I raiky manohitry sy manandratry gny vatatny amy zay ivavahany.vokatr zay nipetraky tao amy tempolin-Dragnahary I any mampiseho gny vatany ho toy gbny Ndragnahary.5Tsy tiananareo va fa fogny zaho niaraky taminareo fa nivola reo raha reo?6 Henanikizao hainareoino ro mita azy,mba hiseho gny amy gny fotoa mety raiky avao.7 Fa gny raha mivony fandikan-dily fa miasa,misy olo raiky avao misaka azy henaniky mandra-panala azy teo amy gny lily .8Bakeo avy nazy mpandika lily ho hatoro,zay hovonoan'i Jesosy Tompo amy gny fofonay gny vavany.Gny Tompo handay azy amy gny fiaviany . 9Gny fiaviany nazy vita mpandika lily noho gny asa gny satana miaraky amy gny hery iabyg,reo famantara,ary zreo fahazaza tsy marina, 10ary miaraky amy gny fitaky iaby gny amy gny tsy fahamaria.Reo iaby reo ho andreo zay very,fotony reo tsy mangalaky gny fitiava gny fahamarina mba ahavoavonjy andreo.11Noho zay antony zay nandefa asa gny fahadisoa Ndragnahary mba hinoanareo vandy.12 Vokatr zay ho tsaray iaby ireo zaay tsy mino agny fahamarina fa koa mangala fahafinareta amy gny tsy fahamarina.13Fa zahay tokony magnome fisaora an-Dragnahary foa ho anareo,ry rahalahy notiavy gny Tompo.Fa Ndragnahary ro nifily anareo toy reo voalohan-bokatry ho agny famonjea amy gny fahamasia gny fagnahy sy gny finoa gny fahamarina.[Fanamariha: Gny dikan-tsfa hafa mivaky hoy zao:"Fa Ndragnahary nifily anareo hatramigny voalohany ho agny famonjea]. 14Zay ro nikehany anareo tamy gny lily gny filazantsara mba ahazoanareo gny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika . 15ka noho zo,ry rahalahy,mijoroa mafy.Tano reo fahamaria zay nampianary anareo.Gna tamy gny safa na tamy gny taratasignay.16Henaniky zao aoka i Jesosy Kristy Tompontsika vatany,ary Ndragnahary Raintsika zay teantsika sy nagnome antsika fankahereza mandrakizay sy gny fahatokia soa ho any gny ho avy amy gny lily fahasoava, 17hankahery ary hametraky gny fonareo amy gny asa soa iaby sy gny safa.
Chapter 3

1Henaniky zao,ry rahalahy,mivavaky ho anay,mba ho deray sy homea voninahitry gny safa gny Tompo ,mindrimindry zay koa gny aminareo. 2Mivavaky mba ho afaky aminareo raty fagnahy sy olo raty zahay,fa tsy gny iaby ro manam-pinoa.3 Fa gny Tompo matoky zay magnamafy ory sy miamby anareo amy nazy raty.4Manana fahatokia amy gny tompo momaba anareo zahay ,mba sady hanaovanareo ro hanohizanareo reo raha zay nandidia anay nareo. 5Gny Tompo anie hitariky gny fonareo ho amy gny fiavan-Dragnahary sy gny fiaretan'i Kristy.6Henanikizao mandidy anareo zahay,ry rahalahy,amy gny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,mba hiala amindreo rahalahy iaby zay miay ao anaty gny hakamoa sy tsy araky ireo fomban-draza zay noraisi nareo taminay.7 Fa gnareo vatanareo mahay fa mety aminareogny maka endriky anay.Tsy niay teo anivonareo mindry reo zay tsy mana fitsipiky zahay. 8Tsy nihina sakafon'olo tsy naloa vola zahay.Fa kosa ,niasa andro aman'aly tamin'asa sarotry sy gny zava-tsarotry zay,mba tsy ho enta-mavesatry ho agny tsiraikiraiky aminareo. 9Tsy hoe noho gny tsy fanana fahefa ro gnanaovany zay.Fa koa,gnanao zay zahay mba ho fitaratry ho anareo ,ka mba hitovy anay nareo.10Lafa niaraky taminao zahay ,nandidy anareo hoe:" Laha misy raiku tsy te hiasa tsy tokony hihhina i." 11Fa nahare zahay fa miraviravy tagna gny sasany aminareo.Tsy miasa reo fa mpitsabaky.12 Henaniky zay reo olo mindry zay didinay sy hanary amy gny Jesosy Kristy Tompo,mba hiasa am-pahangina sy hihina gny hanin-dreo manoka.13Fa nareo,ry rahalahy,ka mamoy fo amu gny fanaova zay mariana. 14Laha misy tsy manenky gny safa ntsika amy ity taratasy ity,mariky eo amaso'olo i ary ka mana fifandraisa aminy,ka mety ho mrgnatssy i. 15Ka rambesy ho fahavalo i,fa hagnaro mba ho rahalahy.16Fa lay Tompo gny fiadana anie hagnome fiadana anareo amindreo fotoa sy amindreo fomba iaby.Ho amindreo iaby anie gny Tompo. 17Ity ro fanaovako veloma .zaho Paoly,tamy gny vatako,zay famantara amy gny taratasy iaby.Zay ro soratry.18 Gny fasaoavan'i Jesosy kristy Tompontsika anie ro aminareo iaby.

1 Timothy

Chapter 1

1Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy araky gny didin-Dragnahary mpamonjy antsiky vo Kristy Jesosy tokintsika, 2ho agn'i Timoty gnanaky lahy to ao amy gny finoa: Fahasoava, famindram-po, voho fiadana baka amy gny Andriagnanahary Baba sy i Kristy Jesosy Tompontsika.3Araky gny nangatahiko mare ho ataonao lafa niala tao Makedonia zaho, mipetraky ao Efesosy mba hahafahanao mibaiko agn'ireo olo sasany tsy hampianatsy foto-pampianara hafa. 4Tsy tokony hitao agn'ireo tantara sy tetiara tsy misy fiafarany rozy reo. Reo la niteraky aly hevitsy fa tsy maganampy gny rafitsin-Dragnahary, ze amy gny alala gny finoa.5Sady gny tanjo gny didy la gny fitiava baka amy gny fo malio, baka amy gny feo gny fieritsereta soa, sady baka amy gny finoa tsy mihatsaravelatsihy. 6Gnolo sasany la tsy mahatratsy gny tanjo no miala tamy reo raha reo ho agny amy gny lahateny molamola. 7Reo la te ho mpampianatry lalagna, kanefa reo tsy mahazo ze raha volagniny sy hizirizirign'indreo. 8Fa tsika mahay fa gny lalagna la soa laha misy raiky mampiasa azy amy gny ara-dalagna.9Tsika ro mahay agn'izay fa gny lalagna la tsy natao ho agn'olo marina, fa ho agny gny mpandika lalagna vo olo mpikomy, ho an-dreo raty fagnahy ro mpagnota, sady ho an-dreo ndragnahary diso sy tsy masy. Izay la ho natao an-dreo ze mamono gny Baba sy reniny ho agn'ireo mpamono olo, 10hoan-dreo raty findesa-vata ara nofo, ho an-dreo Sodomita, ho an-dreo mpavandy, ho an-dreo vavolombelo tsy to, sady ndre ino ndre ino hafa manohitsy gny fampianara mahatoky. 11Io fampianara io mifagnaraky amy gny safa soa gny voninahitry Ndragnahary voatahy ze nankigny tamiko.12Isaorako Kristy Jesosy Tompontsika. Nampahery ahy I, fa nataony mahatoky zaho, sady nijobo ahy ho amy gny fanompoa I. 13Zaho la mpivola raty, mpagnenjiky, no johary mahery loha. Kanefa nahazo famindram-po zaho fotony tamy gny tsy fahaiza ro nanaovako agny zay noho gny tsy finoa. 14Fa gny fahasoava gny Tompontsika ro nandrakotsy tamy finoa vo hatea ze ao amin'i Kristy Jesosy.15Zao hafatsy zao la azo antoky no mendriky gny fagnekea iaby, fa Kristy Jesosy la avy teto an-tany hamonjy agn'ireo mpanota. Zaho ro raty mare tamy ndreo. 16Fa noho zay antony zay ro namindra fo tamiko, mba amy gny alalako, gny bavata mare, i Kristy Jesosy la mety hanoro gny fahareta iaby. Gnanao agn'izay I ho ohatry ho agn'ireo ze magniry hatoky Azy ho agny fiaigna mandrakizay. 17Sady ho agny gny mpanjaka gny tao, tsy mety maty, tsy hita maso, gny Andriagnanahary toka, gny laza sy voninahitry mandrakizay doria. Amena.18Zao didy zao ro omeko anao, Timoty, agnako, araky reo faminania natao momba anao taloha tagny, fa iha la mety hialy gny aly soa, 19gny fitana gny finoa sy gny feo gny fieritsereta soa. Tamy gny fandava agn'izay, misy gny manao sambo vaky gny finoany. 20Manahaky agn'i Hymeneo sy Aleksandro, zay natolotry ho agn'i Satana mba ampianary azy reo tsy hivola raty.
Chapter 2

1Voalohany mare noho zay, la mandrisiky zaho fa reo fanagataha vavaky, fifona, sady gny fisaora, ro natao ho agny gny olo iaby, 2hoa an-dreo mpanjaka sy reo iaby amy gny fahefa eo, mba ahafahantsika miay am-piadagna sy miay milamy amy toe-pagnahy araky an-Dragnahary sy fahamendrea iaby. 3Zay la soa no azo eke eo agnatreahan-Dragnahary mpamonjy antsika. 4Iriny mba ho vonje iaby gn'olo iaby sady ho avy amy gny fahaiza gny marina5Fa raiky avao Ndragnanahary, raiky avao ro mpagnelagnela an-Dragnahary sy gny olo, la lehy Kristy Jesosy. 6I gnanome gny vatagny ho vilim-pagnavota ho agny gny iaby, manahaky gny fitsangana vavolombelo amy gny fotoa tokony ho I. 7Fa amy zay tanjo zay, zaho gny vatako, la natao ho mpitory sy ho apostoly. Mivola gny marina zaho. Tsy mavandy zaho. Mpampianatsy agn'ireo Jentilisa amy gny finoa sy fahamarigna zaho.8Noho izay, tiako gny johary ndra aia ndra aia mba hivavaky sy hanan-drata amsy tsy an-tsiaky na amy fifandira. 9Manahaky agn'izay koa, tiako gnampela mba hiakanjo magneva gny vatagny amy gny fahamotia sy fahafehezan-tegna. Tsy tokony hanao volo mitaly, na volamena, na voahangy, na akanjo lafo vily. 10Tiako reo hiakanjo amy ze mety ho an-dreo ampela ze manoro toe-pagnahy araky an-Dragnahary amy gny alalagn'ireo asa soa.11Gnampela la tokony hianatsy am-pahangina no hagneky tanteraky. 12Tsy engako hampianatsy gnampela na hagnoatsy fahefa amy gny johary, fa hijano ao agnaty gny fahangina.13Fa Adama ro noforogny voalohany, zay vo Eva. 14Adama tsy voafitaky, fa gny ampela ro voafitaky tanteraky tamy gny fandikan-dalagna. 15Ndre zay aza, ho vonjea I amy gny alala gny fiterahan-jaza, laha mitohy amy gny finoa sy fitiava sady fahamasigna miaraky amy gny fahononan-tegna.
Chapter 3

1Matokisa agny zao safa zao: Laha misy olo raiky magniry gny ho mpiandraikitry, la magniry asa soa I. 2Noho zay la gny mpiandraikitsy tsy maintsy tsy manan-tsigny. Tsy maintsy manambaly ampela toka I. I la tokony hahay handajalanja, hendry, tia filamina, tia mandramby olo. Tsy maintsy mahay mampianatsy I. 3Tsy tokony za-draty amy gny divay I, tsy mpila aly, fe koa, malemy fanahy, feno fiadanam-po. I la tsy tokony ho tia vola.4Tokony hita soa gny tokan-tragnony I, sady reo agnany tokony hagneky azy am-pagnaja tanteraky. 5Fa laha tsy mahay mita gny tokan-tragnony I, akory ro hikarakarany gny fiangonan-Dragnahary?6Tsy tokony ho olo vo niova fo I, mba tsy hieboeboany ka ho lavo amy gny fagnameloha manahaky gny devoly. 7I avao koa tsy maintsy soa laza amy reo olo ambaliky egny, mba tsy ho lavo agnaty fahafaham-baraka sy gny fandriky gny devoly.8Reo Diakona manahaky agn'izay avao koa, tokony ho mendriky. Rozy reo la tsy tokony hino divay mare loatry na tsy mahay mieny amy gny hany. 9Tokony hita gny fahamarigna gny finoa nambara miaraky amy gny feo gny fieritsereta malio. 10Rozy reo avao ro tokony ho sedray voalohany, bakeo tokony hanompo fotony tsy man-tsiny reo.11Reo ampela avao koa ro tokony ho mendriky manahaky agn'izay. Tsy tokony ho mpagnendrikendriky reo. Tokony hahay handanjalanja no mahatoky amy gny raha iaby. 12Reo Diakona ro tokony hanambaly ampela toka. Tsy maintsy mita soa reo agnakiny voho gny tokan-tragnony reo. 13Fa reo ze manompo soa ro handramby gny laza soa sy fahatokisa bevata amy gny finoa ho agn'gny vatan-dreo ze ao amin'i Jesosy Kristy.14Manoratry agn'ireto raha reto aminao zaho. 15Fa laha tara zaho, ka manoratry mba hahaizanareo gny fitondran-tegna ao amy gny tokatranon'Andriagnanahary, zay fiangonan'Andriagnanahary velo, gnazy vato famehy sy fiorea gny fahamarina.16Tsy azo andagna fa gny fahamarigna nambara zay araky an'Andriagnanahary ka bevata: "I ro niboaky tamy gny vata, nohamariny gny Fanahy, hita gny anjely, nambara tagnivon'ireo firenena, gninoan'izao tontolo zao, sady nasondrotsy tamim-boninahitry."
Chapter 4

1Henaniky zao mivola mazava soa gny Fanahy fa amy gny fotoa afara agny la hiala amy gny finoa gn'olo sasany ka mitaoa soa gny amy reo fagnahy mpamitaky sy reo fampianaran'ireo demonia 2amy gny fihatsarambelatsihy gny mpavandy. Fa voamatiky amy gny vy mahamay gny feo gny fieritseretan-dreo.3Ho raran-dreo gny manambaly sy gny mandramby agn'ireo hany ze niforognin-Dragnahary ho zaray miaraky amy gny fisaora eo amy ndreo ze mino sy ze mahay gny marina. 4Fa gny raha iaby ze niforognin-Dragnahary la soa. Tsisy holavy gny raha rinambintsika tamim-pisaora. 5Fa nihamasigny tamy gny safa Ndragnahary sy gny vavaky zay.6Laha apetrakinareo eo aloagn'ireo rahalahy reo raha reo, ka ho mpanompo soan'i Jesosy Kristy nareo. Fa tineza tamy reo safa gny finoa no tamy gny fampianara soa ze narahinareo nareo. 7Fa lavo gny tapasiry tantaray gny ampelambatotsy. Fa tariho hagnome voninahitsy an-Dragnahary gny vatanareo. 8Fa gny vata hofany ka maliniky avao gny azo ampiasa azy, nefa fampiasa amy gny raha iaby gny toetry araky an-Dragnahary. Mitana gny fampagnatena amin'itoy fiaigna henany zao toy sy gny fiaigna ho avy.9Toy hafatsy toy ka magneva -pitokisa no magneva gny fahafenoa gny fagnekea. 10Fa noho zay la hitolo no hiasa mare tsika. Fa matoky ao amin-Dragnahary velo tsika, ze Mpamonjy gny olo iaby, ndrindra reo ze mino.11Ambarao sy ampianaro reo raha reo. 12Ao tsy hisy olo hanao tsinotsino gny fahatanoranao. Fa koa ao mba ho ohatsy ho an-dreo ze mino, amy gny fivolana, findesa gnay, hatea, finoa, voho gny fadiova. 13Mandra-piaviako, tohizo gny famakia gny fagnanara sy gny fampiagnara.14Ka atao tsinotsino gny fagnomezam-pahasoava ze aminao ao, ze nomea anao tamy gny alala gny faminania, miaraky tamy gny fametraha tagnan-dreo loholo. 15Tandremo regny raha regny. Meteza ho amin-dreo ao, mba hiarihary amy gn'olo iaby gny fandrosoanao. 16Tandremo soa gny vatanao sy gny fampianara. Tohizo regny raha regny. Fa laha manao raha manao agn'izay ka ho vonjenao gny vatanao sy reo ze mikasa anao
Chapter 5

1Ka meloky gny lahy antitsy. Fa agnaro manahaky gny baba I. Agnaro manahaky gny rahalahy reo johary tanora. 2Agnaro manahaky gny reny reo ampelambatotsy, voho reo ampela tanora manahaky gny agnabavy ao amy gny fahadiova iaby.3Magnaja agn'ireo mpanday tegna, reo tena mpanday tena mpanday tegna. 4Fa laha mananjanaky ndre zafy gny mpanday tegna raiky, ka engao reo aloha hianatsy hijanjy fagnaja amy gny tokatranony ao. Engao reo hamaly babea agn'ireo ray aman-dreny, fotony ankasitrahan-Dragnahary zay.5Fa gny tena mpitondra tegna la nenga ho raiky. Mametraky gny fitokiany amin-Dragnahary I. Mipetraky avao amy reo fangataha sy vavaky andro voho haliky. 6Gna izay aza, gny ampela zay miay ho agny gny fahafinareta ro maty, gna mbo velo aza I.7Torio zay raha zay mba tsy agnanan'i reo tsiny. 8Fa laha misy olo tsy manome ho agn'ireo longony mariniky, ndrindra ho agn'ireo zay ao amy gny havorohotany, ka nanda gny finoa I sady raty lavitry noho gny tsy mpino.9Engao hosorata ho mpitondratena gny ampela zay tsy latsaky gny enimpolo tao, ampela raiky zay valin'gny johary raiky. 10Tokony ho hay noho reo asa soa i,gna nikarakara reo zaza, gna koa nampiantrano reo mpivahiny, gna gnanasa gny tomboky gny reo mpino, gna gnanamaiva gny ory, gna gnanolo-bata tamy gny asa soa iaby.11Fa ho an-dreo mpitondratena mbok tanora koa, ka manenky gny hanoratry azy reo any lisitry. Fa lafa milavo lefo amy gny fila gny nofo hanohitry agn'i Kristy reo, ka te-hanambaly. 12Amy zay reo ro hahazo fanameloha satria namadiky gny fanolora mbata voalohany. 13Ka nanjary zatry malai koa reo. Mandehandeha mitety trano. Tsy hoe nanjary malay avao koa reo, fa nandrary mpifosa sy mpila aly avao koa. Mivola raha zay tsy tokony ho volaniny reo.14Noho zay ro tiako hanambaly agn'ireo ampela mbo tanora, hiteraky, hikarakara tokatrano, mba tsy ahafahany magnome hiriky gny fahavalo hanasara anay ho manao raty. 15Fa gny sasany fa nibio sahady hagnaraky agn'i Satana. 16Laha misy ampela mino magna mpitondratena, engao I hagnampy azy reo, mba tsy hanavesatry gny fiangona, mba hahafahany manampy reo tegna mpitondratena tokoa.17Engao reo loholo ze manapaky soa mba ho rambesy ho magneva voninahitry avo roa heny, ndrindra reo ze miasa miaraky amy gny safa sy amy gny fampianara. 18Fa hoy gny Soratry Masy hoe: "Tsy tokony hagnisy fehiny gny vava gny omby anao laha mbo mipaiky voa I," sady koa: "Gny mpiasa ro mendriky gny karamany."19Ka mandramby fiampanga manohitsy gny loholo raiky laha tsy misy vavolombelo roa na telo. 20Ahitio eo anatreha gny raha iaby reo mpanota mba hatahotry gny ambiny hafa.21Mandidy anao mare aho eo alohan-Dragnahary sy eo alohan'i Kristy Jesosy voho reo anjely voafily, mba hitazo reo lily reo tsy misy fitsaratsara sady mba tsy hanaovanao gna ino gna ino amy gny fiandania. Ka maimaiky mametra-tagna amy nia gna nia. 22Ka miaraky ao amy gny fahota gny olo hafa. Tokony hitana gny vatanao halio anao.23Tokony tsy hino rano koa anao. Fa koa, tokony handramby divay kely anao ho agny gny vavony sy reo aretinao mateti-pitranga. 24Gny fahotan'ireo olo sasany ro fa hay miharihary, sady reo ro mandeha alohan'ireo ao amy gny fitsara. Fa gny ota sasany manaraky baka afara aty. 25Manahaky izay avao koa, misy asa soa hay miharihary, fe reo sasany aza ka tsy azo avony.
Chapter 6

1Engao reo raha zay ao ambany gny gaja manahaky reo andevo mba hanao gny tompony ho mendriky gny haja iaby. I reo la tokony hanoa agn'izay mba tsy hivolagna raty gny agnaran-Dragnahary vo gny fampianara. 2Reo andevo zay manao tompo mino ro tsy tokony hanao tsinotsino an-dreo fotony mpirahalahy aminy. Fe koa reo la tokony hanompo reo hatrany hatrany. Fa reo tompo ze nampiatamy gnasan-dreo ka mpino sady tiavy. Ampianaro sady ambarao reo raha reo.3Hevero fa gny olo ro mampianatry amy gny fomba hafa sady tsy manenky gny fagnoroantsika ara-pinoa, zay, safan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Hevero fa I reo ro tsy manenky gny fampianara zay manday agny amy gny toetry arakin'Andriagnanahary. 4Izay olo izay ro mirehareha sady tsy mahay gna ino gna ino. Fe koa, I ro adala gny reo adihevitry voho reo fandresen-dahatry momba reo safa. Regny safa regny ro miteraky fialona, fanevateva, ahiahy raty, 5voho gny fifandona eo amy reo olo maloto fisaina. Miala amy gny marina reo. Mihevitry I fa gny toetry araky an-Dragnahary no fomba hiavia ho mpanan-karena. [Fanamariha: Gny fandika taloha sasany ro manampy hoe: "Miala amy gny raha manahaky agn'izay." Fa gny fandika taloha soa mare ro tsy manampy agn'izay.]6Sady gny toetry araky an-Dragnahary miaraky amy gny fahafaham-po ro tombony bevata. 7Fotony ntsika ro tsy nanday gna ino gna ino amy zao tontolo zao. Tsy hahavita handay gna ino gna ino ntsika. 8Fe koa, aoka ntsika ho afa-po amy gny hany sy gny fisikina.9Sady reo zay te ho lasa mpanan-karea ro latsaky ao agnaty gny fakam-panahy, ao agnaty gny fandriky. Latsaky tao agnaty gny hadala sy reo fila mampilitry loza maro reo, voho reo hafa mampilentiky reo olo ao amy gny faharava voho gny fandringa. 10Satria vahatry gny reo kazan-draty iaby gny fitiavam-bola. Gny olo sasany zay maniry izay ro fa voavily niala tamy gny finoa sady gnatsoboky gny vatan-dreo tamy gny fahoria bevata.11Sady anao, johary Ndragnahary, milay reo raha reo. Miezaha mila gny fahamarina, gny toetry araky an-Dragnahary, gny fahatokisa, gny fitiava, gny fahareta voho gny hasoam-panahy. 12Mialia gny aly soa gny finoa. Tagno gny fiaina mandrakizay fa ho amy zay ro nikahia anao. Izay ro momba gny nintsaganalo vavolombelo gny amy zay inoanao teo aloha gny reo vavalombelo maro tamy zay soa.13Zaho ro manome anao izay lily zay eo alohan-Dragnahary, zay gnahavy gny raha iaby ho velo, sady eo alohan'i Kristy Jesosy, izay nivola gny marina teo alohan'i Pontio Pilato: 14Ajario soa gny lily, tsy manan-tsiny, mandra-piboaha gny Tompontsika Jesosy Kristy.15Ndragnahary ro manoro gny fisehoagny amy gny fotoa tokony ho I__Ndragnahary, gnazy raiky zay notahia, gnazy hery toka, gnazy Mpanjaka zay manjaka, noho gnazy Tompo zay manapaky. 16I raiky avao ro mana gny tsy fahafatesa sady mipetraky eo amy gny hazava tsy azo vonjea. Tsy misy olombelo mahita azy gna afaky mijery Azy. Ho azy agnie gny vonihatry voho gny hery mandrakizay. Amena.17Volagno gny mpanan-karea amy zao tontolo zao mba tsy hiebohebo, sy manantena gny harena, zay tsy azo antoky. Fa koa, tokony hanantena an-Dragnahary rozy reo. Magnome antsika gny harena marina iaby I mba hifaliantsika. 18Volagno rozy reo mba hanao gny soa, mba hanan-karea amy gny asa soa, mba alala-tagna, sady vonona hizara. 19Amy zay fomba izay, ro ho tehirizy ndreo gny fototry soa ho agny gny vatany amy zay ho avy, ka hitagna gny tena fiaina20Timoty, arovo zay nomea anao. Ialao gny resaky adala voho gny fandresen-dahatry mifanohitry momba gny fikeha diso gny zay atao hoe fahalala. 21Gny olo sasany ro manambara izay raha izay ka tsy nahatiaro gny finoany I reo. Ho amignareo anie gny fahasoava.

2 Timothy

Chapter 1

1Paoly, apostolin' i Kristy Jesosy tamy alala gny sitrapom-Dragnahary, araky gny fampagnatena gny sitrampon-Dragnahary, araky gny fampagnatena gny fiaina ao amy Kristy Jesosy, 2gnan'i Timoty, gnanaky tea: Fahasoavana, fiantsa, sady fiadagna baka amin-Dragnahary Baba voho Kristy Jesosy Tompontsika.3Misaotsy an-Dragnahary zaho, ze tompoiko baka amindreo razambeko, miaraky amy gny feony fieritrereta malio, nanahaky gny hahatiarovako anao sanandro amy fivavahako andro amagn'aly.4 Nanahaky gny hahatiarovako ranomasonao reo, magniry mare gny hahita anao zaho, ka mety ho feno hafalia zaho. 5Nampatsiahivy tamiko gny finoanao marina, ze niaina voalohany taminy dadinao Loisa sy gny neninao Eonisa tao , resy lahatsy zaho fa miai aminao ao avao koa zay.6Zay ro antony hampatiarovako anao mba hampiasanao ndraiky gny fagnomezan-Dragnahary aminao ao amy gnalala gny fametrahako tagna. 7Fa NDragnahary tsy nagnome fagnahiny tahotsy antsika, fa gny hery sy gny fitiava ro fifehezan-tegna.Ka megnatsy amy fijoroa vavolombelo momba gny Tompontsika, na amiko, Paoly, gnazy nigadrany. Fe mizara amy fahoria gny filazantsara araky gny herin-Dragnahary. Fa NDragnahary ro namonjy antsika sy nikaiky antsika tamy kaiky masy. Nanao anizay I, tsy noho gny asantsika, fa noho gny drafitsy ze fa nataony sy gny fahasoavany. Na mbo tsy nanomboky aza gny fotoa, fa nome antsika raha regny tamy Kristy Jesosy I. Henany zao gny famonjean-Dragnahary ro nagnambara tamy alalagny fisehoan' i Kristy Jesosy Mpagnavotsy antsika. Kristy ze nagnafoa gny fahafatesa sady nanday fiaina ze tsy ho tampitsy mandrakizay mba hagnazava amy gnalala gny filazantsara. Noho zay, voatondro ho mpitory teny zaho, ho apostoly sady ho mpampianatsy. [Fagnamariha: reo dikanteny taloha sasany ro magnampy hoe: " Ho gnany hako."]12Noho zay antony zay, mijaly koa zaho amy regny raha regny. Fa tsy ho megnatsy zaho, fotony haiko fa afaky mitagna zay fa nankiniko taminy I mandra-piavin'zay fotoa zay.13 Tano gny ohatsy mikasiky hafatsy gny finoa ze renareo tagnamiko, miaraky amy gny finoasy fitiava zay amy Kristy Jesosy. 14Gny raha soa nataon-Dragnahary taminao, embeno amy gnalala gny Fagnahy Masy, ze miai amintsika ao.15Hainareo zay, fa ze raha nipetsaky ta Azia ro nivaliky tagnamiko. Aminy fikambana io reo Fizelio sy Hermozena.16 Ega anie gny Tompo hagnome famindram-po amy tokantragnon'i Onesiforo, fotony namelombelo ahy matetiky i sady tsy megnatsy tamy gadrako.17 Fe , lafa tagny Roma i, nila ahy fatsatsy, ka hitany zaho. 18Tompo anie hampiseho azy ka hahitany gny famindram-po baka aminy amy zay fotoa zay. Reo fomba iaby nagnampiany ahy tao Efesosy ro hainareo soa.
Chapter 2

1Noho zay, gnanako, mahereza ao amy fahasoava zay ao amin'i Jesosy Kristy. 2Reo raha renareo baka amiko teo agnatraha gny vavolombelo maro, ankino amy gnolo matoky ze afaky hampianatsy gny sasany koa.3Miaritsy raha sarotsy gny miaraky amiko, manahaky gny miaramila soan'i Jesosy Kristy. 4 Tsy misy miaramila manompo laha mbo voafandriky reo raharahan'izao fiaigna zao,mba ahafahany mampisinisiny gny lehibeny. 5Laha misy olo mifanigna manahaky gny Atleta, ro tsy mandramby gny satro-boninahitsy i laha tsy mifanigna amy alala gny reo fitsipiky.6Ila gny fandrambesa gny mpamboly ze miasa mare amy anjara vokatsy voalohany.7 Diniho gny mikasiky gny volako, fa gny Tompo ro hagnome anareo gny fahatakara amy gny raha iaby.8Tiarovo Jesosy Kristy, baka amy taranak'i Davida, zay natsanga tamy reo maty. Zay araky gny hafatry gny filazantsarako,9 ze mampijaly ahy amy gny famatora manahaky mpamono olo. Fa gny safan-Dragnahary ro tsy voafatotsy. 10Noho zay hiaretako gny raha iaby ho any reo voafily, mba ho afaky handramby gny fagnavota ze ao amin'i Kristy Jesosy reo, miaraky amy gny voninahitsy mandrakizay.11Toy safa toy ro mendri-pitokisa:" Laha maty miaraky tamy tsika, ro ho velo hiaraky aminy avao koa. 12Laha miaritsy tsika, ro hanjaka hiaraky aminy avao koa. Laha manda Azy tsika, handa antsika avao koa I. 13Laha tsy matoky tsika, ka hahatoky avao I, fotony tsy afaky manda gny tagnany I."14Ampatsahivo andreo raha reo. Ampitandremo agnatrahan-Dragnahary reo mba tsy hifamaly momba gny safa reo, Noho raha io ro tsy misy raha ilay. Noho raha io ro misy fahasimba go any reo ze mijanjy.[Fagnamariha: gny dikan-tsafa sasany ro mivaky hoe:" Ampitandremo eo agnatreahan-Dragnahary reo] 15Omeo gny soa baka aminao mba hanoloranao tegna ho an-Dragnahary manahaky gny any ankatoavy, mpiasa ze tsy mana antony hahamegnara, ze ze mampianatsy gny safa fahamarigna amy tokony ho i.16Hialao gny safa fagnevatevagna, ze manday tsikelikely any amy gny faharatsim-pagnahy.17 Gny safan-dreo ro hiely manahaky gny fery mandoaky. Eo agnivo ny reo Hymeneo sy Fileto. 18Reo ro johary tsy mba nahalala gny marina. Mivola reo fa gny fitsanga amy gny maty ro fa nitranga. Simbaindreo gny finoa gny sasany.19Ndre zay aza,gny fototsy mahery orin-Dragnahary ro mijoro. Mana soratsy toy:" Gny Tompo ro mahay reo ze gnazy" sady " Ze manogno gny agnara gny Tompo ro tsy miala amy gny tsy fahamarigna." 20Ao amy tsano gny mpanan-karea,tsy reo fipetraham-bolamena sy volafoty avao ro ao.Misy avao koa gny fipetrahan-kazo sy tanimanga.Gny sasany am-dreo ho ampiasay amim-boninahitry ,gny sasany amy fangala baraka. 21Laha misy olo mandio gny vatany ho afaky amy fangala baraka,dia fitoera manan-kaja i.I ro voatoka,tadiavi gny Tompony ,ro voaoma amy asa soa iaby.22Lomaisa any reo fila gny tanora. Mikatsaha fahamarigna, finoa, hatea ro fihavagna miaraky amindreo ze mikasiky gny Tompo amy gny fo malio.23Fa mandagna gny fagnontania adala sy tsy misy fotony. Hainareo fa miteraky aly reo.24Gny mpanompo gny Tompo rp tsy tokony hifamaly. Fa tsy maintsy malemy fagnahy amy iaby i, mahay mampianatsy, sady maharitsy. 25Tsy maintsy ao amy gny fahalemeam-pagnahy ro ampanarany reo ze magnohitsy azy. Vasa Ndragnahary mety hagnome andreo fibebaha ho any fahalala gny marina.26 Mety himpoly draiky gny fisian-dreo sady hagnenga gny fandriky gny devoly, lafa baka sinambotry tamy gny sitrapony.
Chapter 3

1Fantaro zao: amy reo andro farany hisy reo fotoan-tsarotsy.2 Fotony gny olo ho tea tegna, tea vola, ho mpirehareha, ho mpandoky tegna, ho mpametaveta an-Dragnahary, tsy mamoha baba amy neny, tsy misaotsy, tsy masy.3 Tsy hanan-katea gny fianakavia reo, mpanohitsy, ho mpagnendrikendriky, tsy hahafehy tegna, hahery loha, tsy ho tea gny soa. 4Ho mpamadiky reo, tsy misy eritseritsy, mpagnambony tegna, tea fahafinareta mihoatsy noho reo tea an-Dragnahary.5Hana gny toetsy manahaky Ndragnahary reo. Kanefa handa gny hery. Miala amy regny olo regny. 6Fotony gny sasany tamindreo johary ze militsy ao an-toka tragno mandresy lahatsy reo ampela adala. Reo ro ampela ze tsy afaky amy gny fahota sy voatariky amy reo fila samihafa. 7Reo ampela reo mianatsy avao, kanefa tsy ho avy amy gny fahafantaragny fahamarigna mihitsy.8Manahaky any zay avao koa i Jana voho i Jambra nitsanga nanolotsy an'i Mosesy. Tamy zay nitsanga avao koa mpampianatsy sandoky reo hanohitsy gny marina. Johary reo simba fihevitsy, tsy nankasitraha tamy gny finoa.9 Fa tsy handroso lavitsy reo. Fotony gny adalany ho hita mazava amy gny olo iaby, manahaky johary reo.10Lafa nareo koa , fa magnaraky gny fampianarako, gny fitondra, gny fikasa, gny finoa, gny faharetam-po, gny hatea, gny fahareta, 11reo fagnenjeha, gny fijalea, ze nitsanga tamiko tagny Antiokia, tagny Ikonioma sady tagny Lystra. Niharitsy gny fagnenjeha zaho. Avy amy raha iaby reo, namonjy ahy gny Tompo.12 Ze iaby te hiay araky gny fomban-Dragnahary ao amin'i Kristy Jesosy ro enjehy. Reo olon-draty voho reo mpisandoky ro any amy gny raty tokoa. 13Reo hitariky olo hafa agny amy lalan-diso. Ary reo tegnany ro ho voatariky amy zay.14Fa nareo koa, mipetraky ao amindreo raha zay fa nianaranareo sy fa ninoanareo.15 Hainareo fa hatramy gny fahazaza ro nahaiza reo asa soratsy masina nareo. regny hahavita hampahihitsy anareo ho amy gny famonjea amy alala gny finoa an'i Jesosay Kristy.16Gny soratsy Masy iaby avy baka amy gny tsindrimandrin-Dragnahary. Zay ro tombony ho any fotom-mpampianara, ho any fanondroa gny diso, ho any fanitsia, ho any fampiofaha amy gny fahamarigna. 17Zay mba ahavy gny joharin-Dragnahary hahay soa, ho voaoma tanteraky amy gny asa soa iaby.
Chapter 4

1Zaho magnome toy lily hantitsy toy eo anatrehan'Andrianagnahary sy Jesosy Kristy, zay hitsara gny velo sy gny maty, noho gny fisehoa sy gny fanjakany: 2Mitoria gny safa. Mivonona na any gny fotoa na tsy any gny fotoa. Magnanara, mivolagna mare, mampirisiky, amin-pahareta sy gny fampianara iaby.3Fotony ho avy gny fotoa zay tsy hazaka gny olo gny feo gny fampianara. Fa koa, nareo hifily mpampianatry ho azy araky reo faniria manokany. Reo hanitikitiky gny sofindreo. 4Hagnala gny fijanjignandreo amy gny fahamarina reo.Hivily ho agny amindreo angano. 5Kanefa nareo, eritrereto soa gny raharaha. Hiareto gny zava-tsarotsy; ataovy gny asa gny evanjelista, tanterahy gny fanompanareo.6Fotony afa ho atolotsy sahady zaho. Fa avy gny hialako. 7Zaho fa nahavita gny aly soa; fa mahavita gny hazakazaky zaho; fa notazomiko gny finoa. 8Gny satro-boninahitsy gny fahamarina fa voatoka ho ahy, zay home gny Tompo, lay mpitsara marina, ho ahy amy zay andro zay, tsy ho ahy raiky avao, fa koa ho andreo iaby zay fa nitia gny fisehoany.9Ameeo zay soa iaby baka aminao mba handeha amiko aty malaky. 10Fotony i Demasy fa nagnenga ahy. Teany zao tontolo zao sady fa nandeha ta Tesalonika I. Kreska ro nandeha Galatia, Titosy nandeha Dalmatia.11Lioka raiky avao ro miaraky amiko. Alao i Marka ento I miaraky aminao fotony ilako amy gny asa I. 12Tykiko ro nalefako tagny Efososy. 13Lay siky zay nengako tao Troasy miaraky amy gny Karpo, ento igny raha avy iha, sady reo boky, indrindra ro mifogno hiditsy.14Aleksandro lay mpanefy varahy nampisehoseho asa raty maro tamiko. Gny Tompo hamaly azy araky reo asany. 15Iha avao koa tokony hitandry gny tenanao aminy, fotony I manohitsy mare reo safanay. 16Tamy gny fiarovan-tenako voalohany, tsy naneho ahy. Nefa kosa gny olo iaby nagnenga ahy. Aoka mba tsy ho voaheloky amin'zay reo.17Fa gny Tompo nitsanga teo agnilako mankahery ahy mba, amy gny alalako, gny fanambara afaky tanterahy tanteraky, mba afaky hijanjy reo Jentilisa iaby. Zaho avotsy tamy gn vava gny liona. 18Gny Tompo hagnavotsy ahy amy gny asa raty iaby hamonjy ahy amy gny fanjaka agny an-dagnitsy. Ho azy anie gny vonignahitsy mandrakizay doria. Amena.19Ataovy veloma i Prisla, i Akoila, ary reo ankohonan'i Onesiforosy. 20Erasto nipetraky tao Korinto, fa i Trofimo ro niengako fa narary ao Mileto. 21Ameo zay soa imdrindra baka aminao mba hihiaviako aloha gny asotsy. Hanao veloma anao i Eolobolo, Poda avao koa, Lino, Klaodio, ary reo rahalahy iaby. 22Hiaraky amy gny fagnahinao anie gny Tompo. Ho aminareo anie gny fahasoava.

Titus

Chapter 1

1Paoly, mpagnompon-Dragnahary sady Apostolin'i Jesosy Kristy, hapatanjaky gny finoa gny olom-boafilin-Dragnahary sy gny fahaiza gny marina zay magnaraky gny toe-pagnahy mifanaraky amy Ndragnahary,2 amy fahatokisa gny fiaina mandrakizay, zay nampanantenan-Dragnahary, gnazy tsy mavandy, taloha tany.3 Tamy fotoa voafily, natorony gny safany tamy hafatsy zay natokisany ho ambarako. Nataoko zay araky gny lily Ndragnahary gnazy Mpamonjy antsika.4Ho an'i Titosy, anaky marina amy finoa hitambarantsika. Fahasoava sy fiadana baka amy Ndragnahary Baba sy Jesosy Kristy Mpagnavotsy antsika. 5No zao antony zao ro nanengako anao ta-Kreta tany, gny mba handaminanao raha mbo tsy vita sy hifily loholona isaky gny tagnà araky zay fa nandidiako anao.6Gny loholona tokony tsy hanan-tsiny mintsy, valy gny ampela raiky, magna gnanaky mino tsy voan-tsafa ho manara-po amy raty na mahery loha.7 Tadiavy gny mpitandrina, amy maha-mpanao gny asan-Dragnahary, gny tsy fagnanan-tsiny. Tsy tokony ho masiaky fivola na mipoerapoera. Tsy tokony ho mora masiaky, tsy mamo lava, tsy tia aly, tsy olo tia drala koa.8Fa koa, tokony hampilitsy an-trano i, nama gny zay soa. Tsy maintsy mahonon-tena, mary, masy, mife tena. 9Tokony mitaha mare gny hafatsy fa nampianary i, mba ho afaky mampahery reo hafa amy fampianara soa sy andreny reo zay magnohitsy azy.10Fa maro gny olo miola, indrindra reo voatapaky. Tsy misy dikany gny safan-dreo. Mandiso fanantena sy mitariky gny olo amy lala tsy izy reo. 11Tadiavy gny misaka azy reny. Mampianatsy gny tsy tokony hampianary reo mba ahazoany fagnana maloto sady mandrava gny filongoa iaby.12Nisy raiky tamin-dreo, johary hendrin-dreo, nivola hoe :'' Gny Kretana dia mpavandy avao, raty sady biby mandoza, kamo be tenda.''13 Marina zay vosafa zay, no zay agnaro mare reo mba hatanjaky amy finoa.14Ka midary tapasiry gny Jiosy reo na reo lily gny olo zay niala tamy fahamarina.15Ho andreo zay malio, laha malio gny raha iaby. Fa ho andreo zay voaloto sy tsy mino koa, tsy misy malio ndra ino ndra ino. Noho gny sainy sy gny fieritseretany fa voaloto. 16Manenky fa mahay an-Dragnahary reo, kanefa magnohitsy Azy amy asan-dreo. Mpalay sy tsy mpanara dily reo. Tsy mahavita asa soa ndra ino ndra ino.
Chapter 2

1Fa iha koa, mivolana zay mifanaraky amy gny fampianara marina. 2Reo johary fa nahazo tao tsy maintsy mahay manday gny vatany, maonty, mahonon-tena, matanjaky amy finoa, amy fitiava, no sady amy fahareta.3Manahaky an'izay koa reo ampela fa nahazo tao, tokony hanoro avao gny tenany reo ho soa fandaisan-tena, fa tsy mpifosa. Tsy tokony ho andevozy gny divay mare reo. Tokony hampianatsy zay soa reo 4mba hampianara reo ampela tanora ho tea mare gny valy sy gny gnanakiny manoka.5 Tokony hampianatsy andreo hahonon-tena, halio, hikarakara tokantrano soa, sady hanenky gny valindreo. Tokony hanao agny raha iaby zay reo mba tsy ho voavola raty gny Safan-Dragnahary.6Manahaky zay, apatanjao reo johary mbo tanora mba hahonon-tena.7 Amy fomba iaby atorò gny vatanao ho modely gny reo asa soa; ka lafa mampianatsy ia, mampiseho fahitia sy fahamendreha.8 Mivolagna hafatsy salama sy tsy misy tsiny, mba ho megnatsy zay magnohitsy ndra ia ndra ia, fotony tsy mana ndra ino ndra ino raty ho volany mikasiky antsika i.9Reo mpagnompo tokony hanenky gny tompony amy raha iaby. Hanao gny sitrapony fa tsy hifamaly aminy. 10Tsy tokony hangalangalatsy reo. Fa koa, tokony hanoro gny finoa soa iaby reo, mba hampamendriky gny fampianarantsika mikasiky an-Dragnahary Mpamonjy antsika amy lafy gny raha iaby.11Fa niseho tamy gny olo iaby gny fahasovan-Dragnahary. 12Mampianatsy antsika tsy hanenky gny toetra tsy tian-Dragnahary sy gny fataon'izao tontolo zao. Mampianatsy antsika hiay am-pilamina, am-pahamarina, sady mifanaraky amy lilin-Dragnahary amy tao zao zay, 13ampiambenantsika fatsatsy zay andrambesantsika gny fanantena mahafinaritsy, gny fisehoa gny vonignaitsy gny Ndragnaharintsika bevata sy Mpamonjy Jesosy Kristy.14Jesosy nagnome gny vatany ho antsika mba hanavotsy antsika hiala amy tsy fagnaran-dily iaby sy hanadiova, ho an'ny vatany, olo raiky manoka zay tena mazoto hanao asa soa.15Ambarao sady andeso apatanjàhy reo raha reo. Magnomeza fagnitsia amy fahefa iaby. Ka misy olo henga hanao anao ho tsy misy dikany.
Chapter 3

1Apatanjao reo hanenky reo mpanapaky sy reo manam-pahefa, hanenky andreo, ho pare amy asa soa iaby. 2Ampatiarovo reo tsy haneso ndra ia ndra ia, hiala amy fialian-kevitsy, ho ambelany gny hafa hanaraky gny liany, sady hanoro fanetren-tena amy olo iaby.3Fa taloha teo gny tenantsika tsy nagnan-tsay sady tsy nanenky. Voatariky tamy lian-diso tsika sady nandevozy gny fila sy gny fahafinareta samihafa. Niay tamy gny faharatia sy fialogna tsika. Tsy nitiavy zahay sady tsy nifankatea tsika.4Fa laha nihita gny hasoam-pagnahin-Dragnahary mpagnavotsy antsika sy gny fitiavany gny olombelo,5 tsy tamy asa gny fahamarina nataontsika zay, fa tamy famindra-pony ro nagnavotany antsika. I, nagnavotsy antsika tamy fandiova gny fahateraham-bao sy gny fanavaoza tamy Fagnahy Masy.6Ndragnahary nandrotsaky maro tamintsika gny Fagnahy Masy tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Mpagnavotsy antsika. 7Nataony zay mba, ho voamary tamy fahasoava, ho lasa mpandova tsika amy alalan'ny fahatokisa gny fiaina mandrakizay.8Zay hafatsy zay laha mendri-pahatokisa. Teako hivola mahakasiky an'izay raha zay am-patokisa nareo, mba reo zay matoky an-Dragnahary te hanao reo asa soa zay fa napetraky talohandreo reo. Zay raha zay sady soa no mahasoa ho an'olo iaby9Fa ialao gny aly hevitsy adala sy gny tantaram-piraza ndraiky gny fifandira sy gny aly mahakasiky gny lily. Reo raha reo, raha fahatany sy tsy mahasoa.10 Magnohitsy zay olo iaby mampisy fizarazara amy nareo eo, afara gny fampitandrema indraiky na indroa, 11sady fantaro fa gny olo magnahaky an'izay, niala tamy lala mary sady manota sy nagnameloky gny vatany.12Laha naniraky an'i Artema na Tykiko amy nareo aho, malaky ka miavia any amiko Nikopolia, nanapahako hevitsy andania gny ririny. 13Malaky ka alefao Zena, azy mpahay lily, sy Apolosy, mba tsy hisy raha ijalia reo.14Gny olontsika, tsy maintsy manao asa soa zay tadiavy malaky tsy hahavy andreo tsy hamokatsy.15Reo miaraky amiko iaby, manao veloma anareo. Manaova veloma andreo zay tea antsika amy finoa. Ho amy nareo iaby le gny fahasoava.

Philemon

Chapter 1

1Paoly, voafonja an'i Jesosy Kristy, sy gny rahalahy Timoty ho an'i Filemona, nama malalanay sy mpiara miasa aminay, 2sady ho an'i Apia anabavinay, sy Arkipo miaramila namanay, ho an'ny fiangona ze miango an tranonao ao. 3Ho aminareo anie gny fahasoava sy fiadagna baka amin-Dragnahary Babantsika sy Jesosy Kristy Tompo.4Misaotry gny Zagnahariko avao aho. 5Manono anao zaho, amy gny fivavahako. Fa nahare gny amy gny fitiava sy finoa ze agnananareo ao amign'i Jesosy Tompo, ho an'ny mpino iaby aho. 6Mivavaky aho mba hahatonga gny fiombogna amy gny finoa hahomby amy gny fahalala gny raha soa iaby ze eo amintsika sy ao amign'i Kristy.7 Fa nana fifalia sy fionona bevata zaho noho gny fitiavanao, satria gny fon'ireo mpino novelombelomy tamy gny alalanao, ry rahalahy.8Noho zay, ndra mana gny fahasakia iaby ao amign'i Kristy aza aho, handidy anao mba hanao gny tokony ataonao,9 nefa noho gny fitiava, mikaiky anao zaho, Paoly, lelahy antitsy, ka henaniky zao gadra ho an'i Jesosy Kristy.10Mangataky anao zaho amy gny gnanako Onesimosy, ze naterako tamy gny fatorako. 11Fa i tsy nahasoa anao taloha teo, fa henanaky zao i mahasoa anao sy zaho.12 Nalefako nimpoly ho aminao agny i, i lay tiako marina.13 Magniry gny hitazo azy hiaraky amiko zaho, mba hahafahany manompo ahy ho anao, laha mbo voafatotsy noho gny filazantsara zaho.14Kanefa tsy te hanao ndra ino ndra ino aho laha tsy misy gny fanekenao. Tsy tiako atao an-katerea gny asa soa ataoanao fa antsitrapo. 15Vasa mety zay gny antony nisarahany taminao nandritry gny fotoa fohy, mba hagnana nao azy mandrakizay.16 Tsy ho andevo sasy i, fa soa mihoatsy gny andevo, rahalahy malala. I ro malala amiko, sady mihoatsy lavitsy ho anao, ndra ao amy gny nofo, ndra ao amy gny Tompo.17Koa laha mana ahy ho mpiara-miasa iha, rambeso manahaky ahy i. 18Laha manao gny tsy mety i, na mitrosa ndra ino ndra ino aminao, ataovo ho ahy raha zay. Zaho, Paoly, manoratsy izao amy gny tagnako:19 Zaho ro handoa aminao. Tsy mivola aminao hoe mitrosa gny vatanao amiko iha.20 Eka, ry rahalahy, ataovo mahazo tombony ao amign'ny Tompo aho; omeo fitsahara ao amign'i Kristy gny foko.21Gny toky momba gny fankatoavanao, ro soratako ho anao. Haiko fa hanao mihoatsy noho zay angatahiko iha. 22Mandritsy gny fotoa zay, omano ho ahy gny efitsy fandraisam-bahiny, manantena aho fa amy gny alala gny vavakinao hanampolia ahy aminao draiky.23Epafra, namako mpiara-migadra ao amign'i Jesosy Kristy, manao veloma anao.24 Manahaky any zay koa i Marka, Aristarko, Demasy sy Lioka, mpiara- miasa amiko.25 Ho amy gny fagnahy nareo anie gny fahasoavagn'i Jesosy Kristy Tompotsika. Amena.

Hebrews

Chapter 1

1Taloha fa ela mare Ndragnahary nisafa tamy razabentsika tamy gny alala gny mpaminany tamigny fotoa maro voho tamy gny fomba maro. 2Aminy fara andro zao, nisafa tamintsika tamy gnalala gny Gnanaky lahy I, ze nitinendriny ho mpandova gny raha iaby. Tamy gnalalany avao koaro naharian-Dragnahary zao tontolo zao. 3I ro famirapirata gny vogninahitsin-Dragnahary, gyny soraky. Na gny raha iaby aza nitazominy hiaraky amy gn'alala gny resakiny. Tafarany nandiovany fahota, nipetsaky tamboniny tagnakavagnany bevata amy gny ambony I.4Roso ambony nanahaky gnanjely I, fotony gny agnara nilovainy soa lavitsy noho gny agnarandreo. 5Fe ia aminy anjely reo ro mba niteny tamin-Dragnahary hoe: "Gnanako iha, lasa babanao Aho androany" Sy hoe: "Ho baba ho azy Aho, ka i ho gnanaky ho Ahy?"6Sy koa, lafa nanday gny lahimatoa teto amizao tontolo izao Ndragnahary, nivola I hoe: "Anjelin-Dragnahary iaby reo ro tsy maintsy midera Azy." 7Momba gny anjely reo ka niteny I hoe: "I ro raiky nanao anjeliny reo ho fagnahy, sy gny mpanompony ho lelagn'afo."8Fa fombany gny gnanaky hoy I hoe: "Gny seza fiandriagnanao, ry Zagnahary, mandrakizay ary ho doria. Gny tehiny gny fanjakanao ro tehiny fitsara. 9Nitea gny fahamarigna iha sady nalay gny fandikan-dily. Noho zay Ndragnahary, Ndragnaharinao, nanosotsy anao tamy gny manaky gny hafalia mihoatsy amy mpiara-lia aminao."10"Tampiandoha tagny, ry Tompo, Iha ro namorona gny fototsy gny tany. Lagnitsy reo ro asany gny tagnanao. 11Ho levo iaby reo, fa Iha hanohy. Ho tataky hanahaky gny tapan-damba reo. 12Hamoritsy andreo nanahaky gny siky Iha, sady hovay nanahaky gny poti-damba reo. Fa Iha ro nanahaky anizay, ka gny taonao ro tsy hanam-pahatapera."13Ka ia taminy anjely reo ro nivolagnan-Ndragnahary taminy fotoa iaby hoe: "Mipetsaha amy tagna ankavagnako mandra-panaovako fahavalonao reo ho gnany tombokinao"? 14Ka anjely iaby reo va tsy fagnahy manompo, ro nalefa hiahy ze handova gny famonjea?
Chapter 2

1Laha zay tsika, tsy maintsy mitandry mare kokoa aminy ze rentsika, mba tsy hagnara-drenirano amin'izay tsika.2Fa laha to gny hafatsy ze nivolagniny taminy alalany anjely reo, sy gny fandikan-dily iaby sy gny tsy fankatoava ro mandramby sazy ara-drariny, 3akory ro ahafahantsika milomay laha tsy miraharaha any famonjea bevata mare zao tsika? Io gny famonjea ze nambaran'ny Tompo voalohany sy namafisindreo ze nahare anizay tamintsika. 4Taminy fotoa io avao Ndragnahary ro nagnaporofo anizay taminy famantara, fahagaga sady asa mahery samihafa, taminy fagnomezam-pahasoava gny fagnahy masy araky gny sitrapony.5Fa tsy taminy anjely ro nampaneken-Dragnahary an'izao tontolo ho avy zao, mobany ze resahintsika. 6Fe koa, nisy olo nitsanga vavolombelo an'izay tagny ho agny, manao hoe: "Ino gny olo, ro misay azy iha? Na gny gnanak'olo ro mikarakara azy iha?7Iha ro nanao gny ambany noho gny anjely reo; nisinatsokinao satro-boninahitsy tamy gny voninahitsy sy dera I. [Fagnamariha: Gny dikan-teny sasany taloha ro miampy hoe: "Kaiha ro nametsaky azy amboniny asa tagnanao reo."] 8Gny raha iaby ro nampagnekenao tamboniny tombokiny teo." Ho gnazy ro nampagneken-Dragnahary gny raha iaby. Tsy namela na ino na ino i ka tsy nampanekeany azy. Fe hanany zao tsika ro tsy mbo mahita gny raha iaby nampagneke azy.9Fa tsika mahita gny raiky ze nataony ambany noho anjely reo nandritsy gny fotoa fohy: Jesosy izay, nohon'ny fijaliany sy ny fahafatesany, ro nisatsohy satro-boninahitsy tamy gny voninahitsy sy dera. Ka hanany tamy gnalala gny fahasoavan-Dragnahary, nandramany gny fahafatesa hoany gn'olo iaby. 10Fa mety amin-Dragnahary zay, fotony gny raha iaby ro misy ho gnazy sady amy gnalalany, mba handay gnanaky maro ho amy voninahitsy. Mety aminy gny hahaavy gny mpitariky gny famonjea azy reo ze ho ampy amy gnalala gny fijaliany.11Fa na gny olony ze magnamasy na reo ze voamasy ro mana loharano raiky. Noho zay ro tsy megnatsy mikaiky andreo hoe rahalahy I. 12Hoy I hoe: "Hagnambara gny agnaranao aminy rahalahiko reo Zaho, hihira gny momba anao baka agnatiny fivondrona Aho."13Sady koa, "Hatoky azy aho." Sady koa: "Itoy, eto aho sy gnanako ze nomen-Dragnahary ahy." 14Noho izay, fotony nofo aman-dra gnanakin-Dragnahary ro nizara raha nanahaky an'izay niaraky tamin-dreo avao koa Jesosy, mba ho amy gnalala gny fahafatesa ro hagnafoagnany gny raiky ze mana gny heriny fahafatesa, gny devoly zay. 15Izay ro mba hanafahany reo iaby ze nohony gny tahotsy gny fahafatesa ro niay gny fiaignan-dreo iaby taminy fagnandevoza tao.16Fe mazava hoazy fa tsy anjely reo ro vonjeny; fe koa, gny taranak' i Abrahama. 17Noho izay, mendriky Azy gny atao tahaky rahalahiny reo amy fomba iaby, mba ho mpisoro be feno famindram-po sy fahatokisa I aminy fifandraisa aminy rahan-Dragnahary reo, mba handay momba gny famela gny fahotagn'olo. 18Fotony Jesosy mihitsy ro nijaly sy nalay fagnahy, sady afaky magnampy andreo alaim-pagnahy I.
Chapter 3

1Laha izay, ry rahalahy masy, nizara gny kaikiny ny lagnitsy nareo. Eritrereto gny momba an'i Jesosy, gny apostoly sy mpisoronabe ze ekentsika. 2I ro nahatoky an-Dragnahary, I nanendry azy, nanahaky an'i Mosesy ze nahatoky tantragnon-Dragnahary avao koa. 3Fa Jesosy ro fa nirambesy mendriky gny voninahitsy bevata noho Mosesy, fotony ze nagnory gny tragno ro manan-kaja bebe noho tragno igny. 4Fa gny tragno iaby ro nisy olo nagnory, fa gny raiky ze nagnory gny raha iaby ro Ndragnahary.5Aminy lafiny raiky, Mosesy ro natokisa nanahaky mpanompo tantragnon-Dragnahary iaby manontolo. I ro vavolombelo momba ze raha ze tokony fa nambara aminy ho avy. 6Fe Kristy ro gnanaky miandraikitsy gny tragnon-Dragnahary. Tsika ro tragnony laha toa ka mita mare gny herim-po sy gny fahatokiantsika tsika.7Noho zay, zay ro nanahaky gny nambarany Fagnahy Masy hoe: "Ananizao, laha mahare gny feony nareo,8 ka magnamafy gny fonareo manahaky gny fikomiana, aminy fotoany fitsapa agnefitsy agny.9Nanahaky anizay gny razambenareo lafa nikomy tamy gn'alala gny fitsapa Ahy, sady lafa nandritsy gny efapolo tao, hitandreo gnasako. 10Noho zay, tsy faly aminy taranaky io Zaho. 11Hoy Zaho hoe: 'Reo ro voatariky mandrakariva aminy lalan-diso am-pony ao. Tsy nahay gny lalako reo. Nanahaky anizay ro niainako taminy siakiko hoe: 'Tsy hiditsy aminy fitsaharako velively reo."'12Mitahova, ry rahalahy, mba tsy hisy na raiky aminareo aza ro hana fo ratiny gny tsy finoa, fo ze miala amin-Dragnahary velo. 13 Fe koa, mifampahereza isan'andro, laha mbo misy kahia hoe: "Ananizao, mba tsy hisy aminareo ho be fo amy gn'alala gny fitaky gny fahota.14Fa tsika ro lasa mpiara-miasa amin'i Kristy laha toa ka mitazo mare gny fahatokisantsika Azy baka amboloany traky aminy farany. 15Fa gny momba anizay ro fa nambara hoe: "Anany zao, laha mahare gny feony nareo, ka magnamafy gny fonareo, toy gny aminy fikomia."16Ia i ze fa nahare an-Dragnahary ka nikomy? Fa tsy reo iaby ze niboaky baka ta Egypta tamy gn'alalan'i Mosesy va zay? 17Ia ro nampasiaky azy nandritsy gny efapolo tao? Tsy reo ze nagnota va, ze lavo tagnefitsy gny fatindreo? 18Ho gnan'ia ro nianianany fa tsy hilitsy aminy fitsahara reo, laha tsy hoandreo ze tsy nankatoa Azy? 19Hitantsika fa tsy afaky nilitsy taminy fitsahara reo noho gny tsy finoa.

Chapter 4

1Laha zay, aoky hitaho soa tsika mba tsy hisy aminareo gny tsy afaky hahatsatsy gny teny fampagnantegna nenga ho gnanareo mba hilinareo aminy fitsaharan-Dragnahary ao. 2Fa tsika ro nagnambara gny vaovao mahafaly nanahaky andreo. Fe zay hafatsy zay ro tsy nisy tombony ho andreo ze tsy nitambatsy tamy gny finoa niaraky tamindreo ze nankatoa. (Fagnamariha: gny dikanteny sasany ro mivaky toy zao: "Fa zay hafatsy zay, tsy nisy tombony hoandreo ze nahare azy tamy gny tsy finoa.")3Fe tsika ze nino, ro hilitsy aminy fitsahara zay, araky gny fa nambara hoe: "Tahaky gny nianianako tamy fahasiahako, tsy hilitsy mihintsy aminy fitsaharako ao reo." Fe laha zay koa aza, gny asa famoronany ro vita tamy fagnoregna any raha iaby zao. 4Fe I nivola tagny ho agny momba gny andro faha fito hoe: "Zagnahary nitsahatsy tamy andro faha fito tamy asany iaby." 5Mbo nivola koa I hoe: "Reo tsy hilitsy aminy fitsaharako mihitsy."6Laha zay, fotony mbo voatoka ho gnany sasany gny filira amy fitsaharany ao, fotony maro mare Israelita reo nahare gny vaovao mahafaly tsy nilitsy tao noho gny tsy fankatoava, 7nametsaky andro raiky nikeha hoe: "Androany" Zagnahary. Tafarany andro maro, niresaky tamy gnalalan'i Davida I, nanahaky nivolagnany mialoha hoe: "Hananizao laha mahare gny feony nareo, ka magnamafy gny fonareo."8Fa laha Josoa ro nagnome fitsahara andreo, tsy nisafa momba gny andro raiky hafa Zagnahary. 9Noho zay, mbo tsy misy sabata fitsahara voatoka ho gnany vahoakin-Dragnahary. 10Fa ze militsy amy fitsaharan-Dagnahary ro nitsahatsy tamy gnasany avao koa, nanahaky gny nataon-Dragnahary tamindreo. 11Noho zay aoky tsika hazoto hilitsy amign'izay fitsahara zay, mba tsy hisy na raiky aza ho tafalatsaky amy karaza tsy fankatoava ze nataondreo.12Fa gny safan-Dragnahary ro velo sy mandaitsy sady maragnitsy noho gny sabatsy roa lela. Zay magnindro hatramy gny fagnasaraha gnay amy gny fagnahy, sy gny tono amigny tsoka mihintsy aza. Ka afaky fantary gny eritreritsy gny fo sy ze fikasa. 13Tsy nisy famorogna nivony tagnatrehan-Dragnahary. Fe, gny raha iaby miharihary sy nisokatsy amasony gnazy raiky ze tsy maintsy hampamoahintsika.14Noho zay, fotony tsika mana mpisoronabe bevata ze roso namaky gny lagnitsy, Jesosy Gnanakin-Dragnahary, ndao tsika hifikitsy mare amigny finoantsika. 15Fe tsika tsy mana mpisoronabe ze tsy mahatsapa fangoraha amy gny fahalementsika. Fe tsika mana olo raiky ze fa nalaim-pagnahy tamigny fomba iaby nanahaky antsika, fe I tsy misy ota. 16Aoky tsika andeha amigny fahatokisa ho amy seza fiandriagnany fahasoava, mba handrambesantsika gny famindram-po voho hahita fahasoava hagnampy amy fotoa ila anizay.
Chapter 5

1Fa gny mpisorombe iaby, voafily baka amy gnolo, ro notendrea hiasa amy agnarany olo amy raha mahakasiky an-Dranahary, ka hanolorany fanomeza voho fanatitsy ho any fahotaha. 2I afaky mifanaraky mora amy tsy mahay voho maniasia satria i koa voadidy ny fahalemea. 3Noho izay, I koa voataky hanolotsy sorona amy ireo fahotahagny, manahaky gnataony amy fahota gny olo.4Tsy ho agnainy ro handraisan'olo zao voninahitsy zao. Fa, I dia nekehin-Dranahary, manahaky any Arona. 5Manahaky izay, Kristy tsy mba nanome haja gnainy mihitsy tamy fanaovany gnainy ho mpisorombe. Fa, ngazy raiky niresaky tagnaminy nivola hoe: "Nagnako Iha; tonga Babanao Zaho androany."6Manahaky anizay koa raha nivolagniny tamy toera hafa: "Iha ro mpisoro mandrakizay araky ny fomba Mlekizedeka."7Nandritsy ny andro naha nofo Azy, Kristy nanolotsy vavaky sy fangataha niaraky tamy kiaky mare voho ranomaso an-Dranahary, nazy Raiky afaky mamonjy Azy amy fahafatesa. Re I noho fangorahagny. 8Na dia agnaky I, dia nianatsy fankatoava tamy ireo raha niaretagny.9Natao ho tonga lafatsy I ka tonga, ho any olo iaby ze manaiky Azy, nazy loharano gny famonjea mandrakizay. 10Notendren-Dranahary manahaky mpisorombe I manahaky fomba Melkizedeka. 11Mana raha volagny maro nomba any Jesosy zahay, fa sarotsy ny manazava azy hatramy ny naha-lalindalova gny fandrenesanareo.12Fa amizao fotoa zao tokony ho mampianatsy nareo, nareo koa mbo mila olo hampianatsy anareo gny fitsipiky fototsy gny hafatsin-Dranahary. Ronono ro ilanareo, fa tsy venti-kany ! 13Fa gnolo ze misotro ronono avao tsy ampy traikefa amy hafatsy gny fahamarina, satria mbo zaza kely I. 14Fa gny venti-kany ho any olobe. Reo nazy voahofa tamy fanavaha gny soa voho raty gny fahatakarany noho gny fahamatoragny.
Chapter 6

1Noho izay, engatsika tseky gny fiatombohany hafatsy gny Kristy ka haroso amy fahamatorany. Aleo tsika tsy hametsaky ndraiky gny fototsy ny fibebaha noho gny asa gny maty voho finoa an-Dranahary, 2na gny fototsy ny fampianara momba gny batisa, gny fametraha tagna, gny fitsanganan'olo maty, gny fitsaraha mandrakizay. 3Hanao anizay koa tsika laha ambelan-Dranahary.4Fa tsy hay atao ho andreo ze fa nazavay ndraiky mandeha zay nagnandra gny fagnomeza baka an-dagnitsy agny, ze nandramby gny Fagnahy Masy, 5ze nagnandra gny vola soan-Dragnahary sy gny herigny vanim-potoa ho avy, 6nefa bakeo lavo- tsy hay atao gny mamery andreo amy gny fibebaha ndraiky. zay fotony nomboandreo ho any gnain-dreo ndraiky gny gnanakin-Dragnahary, sady nalainy baraka ampahibemaso.7Fagny tany mitintsiky gny ora matetiky avy aminizay, ze mamokatsy raha mitiry ilain'olo ze niasa gny tany reo__io ro taniny ze mandramby fitahia baka amin-Dragnahary. 8Fa laha mamokatsy fatiky zay, tsy misy ila azy sady fa akaikiny ozo. Gny fiafaran'izay amy fireheta.9Fe zahay resy lahatsy gny amy raha soasoa reo momba anareo, ry malala, raha ze mahakasiky gny famonjea, na mivola manahaky anizay aza zahay. 10Fa Zagnahary tsy mba tsy marina ka hagnaligno gny asanareo sy gny fitiava ze natoronareo noho gny agnarany, fotony nareo nanompo any mpino reo ro sady mbo manompo andreo avao.11Magniry mare zahay mba hanoro fahazotoa manahaky anizay hatraminy farany gny tsiraikiraiky aminareo ho antoky gny fahatokia feno.12 Aminizay mba tsy ho lasa hebo nareo, fa haka tahaky ze mandova gny fampagnatena amy finoa sy fahareta.13Fa tamin-Dragnahary nanao gny fampagnatena tamin'i Abrahama, niania tamy gny gnainy I, lafa tsy afaky niania tamign'olo be kokoa. 14Hoy I hoe: "Zaho hitahy anao, sady hahamaro anao." 15Taminizay fomba zay, nahazo ze nampagnatenay tafarany niambesany tamim-pahareta Abrahama.16Fa gny olo miania amign'olo ze bebe kokoa noho gnaindreo. Isakiny tampitsy gny fifamaliandreo, la misy voady natao ho fagnamafisa. 17Lafa nanapakevitsy gny hagnatoro mazava taminy mpandova fampagnategna reo gny tsy fiovany kalitaon'ny tanjony Zagnahary, nomeny antoky tamy voady zay. 18Nataony zay mba ho amy gnalala gny raha tsy azo ovay roa__ ze tsy hain-Dragnahary gny mavandy aminizay__ la hana fampahereza matanjaky mba hitazo mare gny fatokisa ze napetsaky talohantsika tsika, ze nilahy mba hana fialofa19Mana anizay toky zay tsika ho aro sy vatofantsiky azo hiankina ho any fagnahintsika, fahatokisa ze militsy amy fitoera agnaty ambaliky gny lamba. 20Jesosy nilitsy tamy gny fitoera zay manahaky gny mpitariky lala ho antsika, ka avy mpisoronabe mandrakizay magnaraky gny fomban'i Melkizedeka.
Chapter 7

1Melkizedeka zay, mpanjakan'i Salema, mpisoron-Dragnahary ambony mare, ze nifanojo tamin'i Abrahama lafa nimpoly baky nandresy any mpanjaka reo sady nitahy azy. 2I ro nomen'i Abrahama gny ampahafolon'ny raha iaby. Gny agnara hoe "Melkizedeka" midika hoe " mpanjakan'ny fahamarina." Gny agnarany hafa "mpanjakan'i Salema," zay hoe: "mpanjakany fiadana." 3I tsy mana baba, tsy mana neny, tsy mana razambe, sady tsy mana fagnombohany gny andro sady tsy mana fiafarany gny fiaina. Fe mitovy amy gnanakin-Dragnahary I, fotony mipetsaky ho mpisorona mandrakizay.4Henteo gny habevatany lelahy io. Gny razambetsika Abrahama ro nagnome gny ampahafolony gny raha ze azony tamy aly. 5Aminy lafiny raiky, gnanaky lahin'i Levy ze mandramby gny fisoroha ro mana baiko baka amy lily mba hamory gny ampahafolon- karena baka amign'olo, zay ro, baka amy rahalahindreo reo, na izay aza, reo avao koa ro baka amy vatan'i Abrahama. 6Fa aminy lafiny raiky, Melkizedeka, ze tsy voasoritsy baka amindreo gny taragnakiny, nandramby ampahafolon-karena baka amy Abrahama, sady nagnome tso-drano azy, gnazy raiky ze nana gny fampagnantena reo.7Tsy misy fandagna fa gny olo ambany mare ro omen'olo ambony mare tso-drano. 8Amizay tranga zay, gny olo mety maty ro mandramby ampahafolon-karena, fe amy tranga toy, voaporofo fa mbo velo I. 9Sady, amy fomba firesaky, Levy, ze nandramby ampahafolon-karena tamy gn'alalany Abrahama avao koa, 10fotony Levy tagnatiny gnainy razambeny lafa nihao tamy Abrahama i Melkizedeka.11Hananizao laha azo atao amy gn'alala gny fisoroa levitika gny fahatanteraha (fa tambaninizay gny olo ro nandramby gny lily) fila bevata kokoa, ino ro mety nisy hoany mpisorona hafa mba hitsanga araky gny fomban'i Melkizedeka, tsy rambesy araky gny fomban'i Arona? 12Fa lafa novay gny fisoroha, tsy maintsy hovay avao koa gny lily.13F agnazy raiky ze nivola gny mombany raha reo ro gnany foko hafa, ze tsy misy olo manompo aminy alitara eo mihitsy. 14Fa mazava hanaizao, fa baka amy Joda ro nahaterahan'ny Tompontsika, foko ze tsy nambaran'i Mosesy mihitsy gny mahakasiky mpisona reo.15Ze nambarantsika ro fa mazava soa laha misy Mpisoro hafa mitsanga amy soraky Melkizedeka. 16Tsy baka tamy fototry gny liliny taragnaky gny nofo ro nahavy azy ho mpisoro, fe baka amy fototry gny hery gny fiaigna tsy mety levo. 17Gny Soratsy Masy ro mitsanga vavolombelo magneky azy hoe: "Iha ro mpisoro mandrakizay araky gny fomba gny Mekizedeka."18Nisy gny fagnafoagna gny lily taloha teo fotony nalemy sy tsy nisy dikany zay. 19Fe tsy nisy raha nataony lily tonga lafatsy. Kanefa, misy gny fampilira soa kokoa ho gnany ho avy ze atatontsika gn'an-Dragnahary.20Tsy niseo zay laha tsy nisy gny fandrambesa fiaigna. Amy lafiny raiky, sasany reo ro lasa Mpisoro tsy mila fiaigna. 21Fa amy lafiny raiky hafa, raiky ity, Jesosy, mpisoro tamy gn'alala gny fiaina nataony gnazy nagnambara tagnaminy hoe: "Tompo ro nifanta sady tsy hiova manadrakizay amy gnevitsiny hoe: 'Iha ro mpisoro mandrakizay."'22Tamy gn'alalanizay avao koa Jesosy ro nagnome antoky gny fagnekem-pihavagna soa kokoa. 23Aminy lafiny raiky, maro ro nanjary mpisoro fotony gny fahafatesa ro manaka andreo hanohy. 24Aminy lafiny raiky hafa, fotony Jesosy mipetraky mandrakizay, mana fisorogna mandrakizay I.25Noho zay, I avao koa de afaky mamonjy tanteraky reo ze mamonjy an-Dragnahary amy gnalalany, fotony I avao ro miay mba hagnelagnela hoandreo. 26Fa gny mpisoro manahaky anizay ro mety hoantsika. I tsy manam-pahota, tsy magnantsiny, malio, nisarahy tamy mpagnota, sady ambony noho gny lagnitsy.27Tsy mila I, tsy nanahaky any mpisoro be reo, hanolotsy soro sanandro, gny volohany, hoany fahotan-dreo manoka, bakeo hoany fahota gn'olo. Fa nanao anizay ndraiky mandeha hoandreo iaby i, lafa nanolotsy gnainy.28 Fa gny lily manondro gny olo ze mana fahalemea ho mpisoro-be. Fa gny teny gny fiaigna ze fa niavy tafarany gny lily ro magnendry gnanaky lahy, ze natao tonga lafatsy mandrakizay.
Chapter 8

1Ka gny fototsy gny raha ambaranay ro zao: Tsika mana mpisoronabe ze nipetsaky tankavagnany gny seza fiandriagnany be voninahitsy an-dagnitsy. 2I ro mpagnompo amy toera masy ao, gnazy tabernakely marina ze gny Tompo, fa tsy gn'olo ro nagnory azy.3Fa gny mpisoronabe iaby notendrea hanolotsy fagnomeza sy soro. Noho zay ilay gny mana raha ho atolotsy. 4Ka laha tantany teoy Krity, tsy ho mpisoro I, fotony misy andreo ze manolotsy fagnomeza araky gny lalana. 5Reo manompo aminy tabernakely ao ze tandindo sy aloky gny raha an-dagnitsy agny. Zay ro nampitandreman-Dragnahary an'i Mosesy laha i handeha hagnamboatsy tabernakely: hoy Zagnahary hoe: "Henteo mba ho ataonareo araky gny modely ze fa natoro anareo tatendrombohitsy tegny gny raha iaby."6Fa hananizao Kristy nandramby asafagnompoa soa lavitsy. Ze noho I mpagnelagnela avao koa amy fagneke soa kokoa, ze mifototsy amy fampagnatena soa kokoa. 7Fa laha tsy nanan-tsiny fagnekea voalohany, tsy nisy nila fagnekea faharoa8Fa lafa nahita tsiny tamy gn'olo Zagnahary, la hoy I hoe: "Indroy, ho avy gny andro__hoy gny Tompo__lafa hanao fagneke vaovao amy gn'olony Israely sy gny olon'i Joda Zaho. 9Tsy ho toy gny fagneke ze nataoko niaraky tamy razandreo tamy andro ze nandesako andreo tamy andro tanany hiala baka tamy tany Egypta. Fa reo tsy nipetsaky tamy gny fgnekeko, sady Zaho tsy naidary andreo_ hoy gny Tompo.10Fe zao ro fagneke ze hataoko amy gnolon' Israely afaraniregny andro regny__ hoy gny Tompo. Hataoko andohandreo gny liliko, sady ho soratako am-pondreo avao koa zay. Ho an-Dragnaharin-dreo Zaho, ka reo ho oloko.11Reo tsy hampianatsy gny mpiara-mony sady gny rahalahy aby, hivola hoe: 'Fantaro gny Tompo.' Fa hahay Ahy gny iaby, manomboky amy kelikely mare ka hatramy gny bevata mare amindreo. 12Fa zaho hamindra fo amy gny tsy fahamarinandreo sady tsy hahatiaro fahotandreo koa."13Amy gny fivolagna hoe "vaovao", nanao gny fagneke voalohany ho taloha I, ka ze fa lany andro voho antitsy ro fa akaiky ho leva.
Chapter 9

1Ka na gny fagneke voalohany aza nana gny fitsipi-pivavaha sady fipetraha masy tantany teto. Fe nisy tabernakely ze fa nomany. 2Gny efitsagno voalohany, ze nisy gny fipetsahan-jiro, gny latabatsy, voho gny mofony fagnatseha ro nikehy hoe fitoera masy.3Ambaliky gny siky faharoa ao ro nisy gny efitsy raiky hafa, kahia hoe toera masy mare. Nisy alitara volamena hoany ditin-kazo magnitsy. 4Nisy gny fiarany fagneke avao koa, ze feno volamena tokoa. Tagnatinizay ro nisy siny volamena ze nisy gny mana, gny tehiny Arona ze nitiry, voho gny vato fisaky gny fagneke. 5Tamboniny fiarany fagneke ro kerobima be vogninahitsy maro sady magnaloky gny saro fagnaroma, ze tsy afaky safagninay amy gnatsipiriany hananizao.6Lafa nivoahoma raha iaby reo, nilitsy tamy efitsagno tambalikiny tabernakely mpisoro reo mba hanao fanompoandreo reo. 7Fe gny mpisoro be avao ro nilitsy ndraiky mandea isan-tao tamy efitsy faharoa, sady niaraky tamy ra ze natolotsy hoany gnainy sy gny fahota tsy niniany lolo reo.8Natorony Fagnahy Masy fa gny lala mandeha amy toera masy mare ro mbo tsy natoro laha mbo mitsanga gny tabernakely voalohany. 9Zay ro fagnohara hoany fotoa hananiky zao. Fagnomeza reo voho soro reo tsy hahatanteraky gny fieritreretany mpivavaky raiky. 10Mifantoky amy hany sy raha sotroa voho gny karazam-pomba fidiova maro avao. Raha iaby reo ro fitsipiky ho any nofo iaby ze nomea mandra-pagnamboara gny fandamina vaovao.11Kristy niavy nanahaky gny mpisoro be gny raha soa ze avy. Nandea tamy gnalala gny tabernakely bevata sy lafatsy ze nataon'olombelo I, ze tsy gnany raha misy hary iaby zao. [Fagnamariha: Reo dikan-teny sasany reo miavaky manahaky anizao: "Jesosy avy manahaky gny mpisoro be gny raha soa ze ho avy."] 12Tsy tamy randreo baingy lahy sy omby ampela matohy, fa tamy rany manoka ze nilitsy tany toera masy mare ndraiky mandeha monja hoany iaby sady niaro gny famonjea antsika mandrakizay.13Fa laha gny rany baingy sy omby lahy reo sady gny famafaza gny lavenoky gny omby vavy matohy ze lasa maloto ro manoka andreo amy Ndragnahary ho fagnadiova gny nofondreo, 14nanao akory gny fihoarany gny rany Kristy, ze nanolotsy gny gnainy tsy misy kilema ho an-Dragnahary tamy gnalala gny Fagnahy mandrakizay, hagnalio gny fieritseretantsika hiala amy asa maty mba hanompoa an-Dragnahary velo? 15Noho zay antony zay, I ro mpagnalala gny fagnekea vaovao. fotony nisy fahafatesa raiky niseho mba hagnafaky andreo ze ambaniny fagnekea voalohany amy fahotandreo, handramby gny fampagnatena gnylova mandrakizay andreo voakaiky.16Fa laha misy didim-panagna, gny fahafatesany olo ze nanao anizay de tsy maintsy porofoa. 17Fa lafa misy fahafatesa avao koa ro manan-kery gny didim-panagna, fotony tsy manan-kery zay laha toa ka mbo velo olo ze nanao anizay igny.18Ka na ngy fagneke voalohany aza tsy natao laha tsy nisy ra. 19Fa lafa nagnome gny lily iaby tamy gnalala gny olo iaby Mosesy, nanagala rany omby sy baingy reo, niaraky tamy rano, volony ondry jaky mena, voho gny hysopa I, ka nagnamafy tamy boky voho gny olo iaby teo.20 ka I nivola hoe: "Intoy gny ràny fagnekea ze nanadidian-Dragnahary anareo."21Nanahaky anizay koa, nanindraky gny ra tamy tabernakely sy fametraha raha iaby reo hampiasa amy fanompoa I. 22Araky gny lily, saiky gny raha iaby voalio tamy ra. Laha tsy misy fandatsaha-dra de tsy misy gny famelan-keloky.23Noho zay, nilay gny alokaloky raha tandagnitsy reo mba ho voaliony sorony biby reo. Na zay aza, gny rahany gny lagnitsy mihitsy ro mila nidiovy tamy soro soa kokoa. 24Kristy tsy nilitsy tamy fitoera masy mare ze nataony tana, ze alokalokigny raiky ze tena fotsy avao. Fe nilitsy tandagnitsy mihintsy I, mba ho hita amy fagnatsehan-Dragnahary ho antsika hanany zao.25Tsy nandea tao mba hanolotsy gnainy imaro I, manahaky fataony mpisoro be, ka militsy agnaty toera masy mare isantao niaraky tamy rany hafa. 26Fa laha zay gny raha nitsanga, nila nijaly imaro nanomboky nagnamboara any raha iaby zao I. Fe hananizao de indraiky mandeha avao ro nagnatoroa Azy mba hangala gny fahota amy gnalala gny sorogny gnainy avao.27Fa natao ho maty ndraiky mandeha gny olo iaby, ka afaranizay ro ho avy aby gny fitsara. 28Nanahaky anizay avao koa, Kristy, natolotsy ndraiky mandea mba hangala gny fahota gny maro, ka hiseho fanindroany, tsy handraharaha gny ota, fa ho famonjea andreo miamby Azy ampahareta.
Chapter 10

1Fa gny lily ro aloky gny raha soa ho avy, fa tsy tena sorakiny raha reo. Reo ze mamonjy an-Dragnahary, tsy afaky gny ho lafatsy amy gnalala gny soro mitovy amy ze andesiny mpisoro isan-tao. 2Laha zay tsy nijano gny nanolotsy soro regny va reo? Amy zay raha mitsanga zay, lafa nidiovy ndraiky mandeha monja reo, tsy mba hahay gny ota koa mpivavaky reo. 3Fa amy soro reo ro misy fampatsiahiva ota isan-tao reo. 4Fotony gny rany aomby lahy voho gny baingy lahy ro tsy mahavita mangala any ota reo.5Lafa niavy tambony tany tetoy Kristy, nivola I hoe: "Tsy soro na fagnatitsy ro nirianareo. Fa vata ze fa namagninareo ho Ahy. 6Gny fagnatitsy noroha na soro ho gnany ota ro tsy nifalifalanareo. 7Ka hoy Zaho hoe: "Henteo, toy Zaho, araky ze fa voasoratsy momba Amiko amy Soratsy Masy ao, mba hanao gny sitsakinareo.8Voalohany nivola I hoe: "Tsy soro, na fagnatitsy noroha, na soro ho any ota ro nirianareo. Nareo tsy nifaly tamindreo tao." 9Regny ro soro atolotsy araky gny lily. Nivola I hoe: "Henteo, toy Zaho hanao gny sitrakinareo." I nangala gny famihara voalohany mba hametraha gny fampihara faharoa. 10Taminizay sitraky zay, tsika ro namasiny tamy gnalala gny fagnatitsy gny gnainy Jesosy Kristy ndraiky mandeha monja.11Amy lafiny raiky, gny mpisoro iaby mitsanga isan'andro manompo an-Dragnahary. I ro nanolotsy soro mitovy avao, na zay aza reo tsy afaky mangala ota mihitsy. 12Amy lafiny raiky hafa, Kristy nanolotsy soro raiky ho any ota mandrakizay, nipetraky takavagnan-Dragnahary I. 13I miamby mandra-panaova gny fahavalony ho fitoera gny tomboky ho any tombokiny. 14Fa tamy fagnatitsy raiky nahalavorary mandrakizay andreo ze namasiny.15Gny Fagnahy Masy koa ro mitsanga vavolombelo ho antsika. Fa tamy voalohany I nivola hoe: 16"Toy gny fagneke ze ho ataoko miaraky amindreo afarany andro reo, hoy gny Tompo. Hapetrako ampon-dreo gny liliko, sady hanoratsy anizay antsain-dreo Zaho.17Tsy hahatiaro gny ota voho gnelokin-dro koa Zaho." 18Ka na aia misy famela, tsy soro ho amy ota koa.19Noho zay ry rahalahy, tsika ro mana fahatokisa gny litsy amy toera masy mare tamy rany Jesosy. 20Zay ro lily vaovao sady velo ze nosokafa ho antsika tamy gnalala gny siky, zay hoe, tamy gnalala gny nofotriony.21Fotony tsika mana mpisoro bevata mitandry gny tragnon-Dragnahary, 22aoky tsika hagnato amy fo malio amy finoa feno fahatokisa, mba hanagnatsika fo voalio amy fieritrereta raty sady hanagnatsika vata voalio tamy rano malio.23Aoky tsika hitazo mare gny fagnekea gny fiandrandra mahatokintsika, tsy am-pihozongozoa, fotonyDragnahary, ze nampagnategna ro mahatoky. 24Aoky tsika handiniky gny fomba fandrisiha gny tsiraikiraiky amy fitiava voho gnasa soa reo. 25Aoky tska tsy hagnenga gny fiaraha miavory, nanahaky gny nataony sasany. Fe, mifankahereza avao, sady maiky fa hitanareo famagnakaiky gny andro.26Fa la tsika vo maiky magnota baky nandramby gny fahalala gny to, tsy misy fagnatitsy ho any ota koa. 27Fe, raiky avao gny fiambena mahavozo gny fitsara, sady siaky mirehitsy ze hamotiky fahavalon-Dragnahary reo.28Na ia na ia tsy nagneky gny liliny Mosesy, ho maty tsy misy fandefera amy fijoroa vavolombelon-dreo roa na telo ze nagnatri-maso. 29Fagnasazia raty lavitsy manao akory ro saitsaignanareo fa mendrikyandreo ze nnitsaky gny gnanakin-Dragnahary, ze nanao gny rany fifagnekea ho tsy masy__ gnazy ra ze nagnamasina Azy__sady mivaza gny fagnahiny fahasoava?30Tsika mahay gnazy raiky nivola hoe: "Gnahy gny valifaty; Zaho ro hamaly." Sady: "Gny Tompo ro hitsara gny olony." 31Raha mampitahotsy ro hilatsaky an-tagnan-Dragnahary velo!32Tiarovo gny andro taloha, lafa nihazavay nareo, gny fomba niharetanareo gny aly mare tamy fijalia. 33Nareo ro nalay baraka ampahibemaso tamy fagnaratia sy tamy fagnihagna, nareo ro niaraky nizara tamindreo ze nandalo fijalia nanahaky anizay. 34Fotony nareo nalahelo gny gadra, nareo nagneky tamin-kafalea gny fangala gny fanagnanareo. La nahay nareo fa gny gnainareo ro mana fanagna soa mare sy maharitsy mandrakizay. [Fagnamariha: Gny dikan-teny taloha ro tsy hahita gny fehezan-teny hoe: "Nareo ro nana fiferignesa tamy gadrako."]35Laha zay de ka aria gny fahatokisanareo, ze mana valisoa bevata. 36Fa nareo mila fahareta, mba hahazoanareo ze nampanatenan-Dragnahary, lafa nanao gny sitrapony nareo. 37Tsy ho ela fe, gnazy raiky ze ho avy ro avy ka tsy ho tara.38Gny oloko to ro hivelo amy finoa. Laha mihemotsy I, Zaho ro tsy ho faly aminy. 39 Fe tsika tsy naman-dreo ze mihemotsy ho amy faharava. Fe tsika agnisan-dreo mana finoa ho amy fihazoa gny fagnahintsika.
Chapter 11

1Gny finoa ro antoky amy raha nembena tamim-patokisa. Io ro porofony raha miseho ze mbo tsy hita. 2Ka noho zay razambe reo nekea noho gny finoandreo. 3Amy finoa ro hahafahantsika fa gny didin-Dragnahary ro namorogna any raha iaby zao ka ze hita maso de tsy natao tamy raha ze hita maso.4Tamy finoa ro nanolorany Abela fagnatitsy soa ho an-Dragnahary noho gnany Kaina, tamy alalanizay ro nagnambarany azy ho to, Zagnahary nivola soa azy noho gny fagnatitsiny ka amy finoa ro mbo hivolagnany Abela na fa maty aza I.5Tamy finoa ro namindra any Enoka mba tsy ahitany gny fahafatesa. "Tsy hita I, fotony nalain-Dragnahary." Fe talohany nangala azy, nitsanga vavolombelo fa nisaotsy an-Dragnahary I. 6Sady lafa tsy misy finoa de tsy mety ho ankasitrahany. Fotony ilay hoe ze mamonjy an-Dragnahary tsy maintsy mino fa misy I sady I ro mamaly soa andreo ze mila Azy.7Tamy finoa Noa, ro nomea gny hafatsy baka amin-Dragnahary momba gny raha ze mbo tsy hita, niaraky tamy fagnaja an-Dragnahary ro nagnamboarany gny sambo ze namonjeny gny ankohognany. Fa tamy fanaova anizay ro nagnamelohany any tontolo iaby zao voho niaviany ho mpandova gny fahamarigna araky gny finoa.8Tamy finoa Abrahama, lafa nikehy ro nagneky sady nandeaha amy gnazy toera ze hahazoany ho lova. Nandeha I, tsy nahay ze tany nombany. 9Tamy finoa ro niaignany tamy tany nampagnatena manahaky gny vahiny. Niay tagnaty rano I niaraky tamy Isaka sy Jakoba, reo ze mpiaraky mandova aminy gnazy fampanantegna mitovy. 10I nila any tana ze mana fagnorena reo, tana zay Zagnahary ro mpamari-trano sy mpamorin-trano.11Tamy finoa, na Saraha I gnainy tsy miteraky aza ro nahazoany Abrahama gny fahafaha ho baba. Nitranga zay na fa antitsy aza I, fotony neveriny nanahaky gnazy matoky nomea fampagnatena I. [Fanamarigna: Misy fagnontania momba gny hoe gny finoany Abrahama sa gny finoany Saraha ro navohitsy. "Tamy finoany Saraha, na fa antitsy aza Iro nahazoany gny hery hanagna gnanaky na fa tena antitsy aza I handay zaza fotony nihevitsy gnazy nagnome fampagnatena azy ho mahatoky."] 12Noho zay, baka amy lelahy zay, ze fa ho maty ro nahaterahandreo manahaky gny kintana andagnitsy engy gny hamaroany sady manahaky gny fasiky magnamoro gny ranomasy, ze tsy voaisa.13Tamy finoa iaby regny ro maty tsy nandramby fampanantegnandreo. Fe tafarany nahitany sy niaraba andreo baka alavitsy egny, nagneky reo fa vahiny voho gny sisin-tany tany etoy. 14Ho andreo ze mivola manahaky anizay ro magnazava fa mila tanindraza reo.15Laha nieritseritsy gny firenena ze nialandreo, mety nana fahafaha himpoly. 16Nanahaky anizay, naniry firenena soasoa kokoa reo, ka zay gnazy andagnitsy agny. Noho zay tsy mahamegnatsy an-Dragnaharindry ny voakaiky hoe Ndragnaharindreo, ka nanoma tana soa hoandreo I.17Tamy finoa Abrahama, lafa nitsinapany de nanolotsy an'Isaka. Io ro gnanaky ze nomeany, I ro gnazy nahazo fampanategna reo. 18Tamy Abrahama ro nagnambara hoe: "Amy gnalalan' Isaka ro hitondroa taragnakinao reo." 19Abrahama ro nihevitsy fa Zagnahary ro haviata hananga an'Isaka amindreo maty, sady amy hevitsiny amy ohatsy baka tamindreo ro hahazoany azy ndraiky.20Tamy finoa momba gny raha ho avy reo avao koa ro nitsofan'Isaka rano any Jakoba voho Esao. 21Tamy finoa Jakoba, tamindreo ho maty ro nitsofa rano gnanaky Josefa tsiraikiraiky aby.22 Nivavaky Jakoba, nitehy tamy lohany tehiny. Tamy finoa Josefa, lafa nagnakeky gny fiafarany ro niresaky gny fiaignany gnanak'Israely baka amy Egypta sady nagnafarany gny amy taolany.23Tamy finoa any Mosesy, lafa teraky I, navoniny bababy amy neniny nandritsy gny telo vola fotony hitandreo fa zaza soa I. Tsy nataotsy gny didiny mpanjaka rozy. 24Tamy finoany Mosesy, tafarany nahabe azy ro nandà gny hikaia azy ho gnanaky lahiny gnanaky ampelany Farao. 25Fe, nifily gny hijaly niaraky tamy vahoakin-Dragnahary I, manahaky ze hitiavandreo fahafinaretany fahota mandritsy gny fotoa kelikely. 26 Nagnambara I hoe gny fahafaham-baraka amy fagnaraha any Kristy ro harena bevata noho gny haregnany Egypta. Fotony nampifantoky gny masony tamy valisoany I.27Tamy finoa ro nialiny Mosesy ta Egypta tagny. Tsy nataotsy gny siakiny mpanjaka I fa niaritsy anizay manahaky gny nahitany gnazy tsy hita maso. 28Tamy finoa ro nitandremany gny Paska voho gny famafaza gny rà, mba tsy hikasiky gny gnanaky lahimatoany Israelita gny mpandringa gny gnanaky lahy voalohany.29Tamy finoa ro niampitandreo gny Ranomasy mena manahaky gny mandea tany maiky. Lafa nagnandra nanao anizay Egyptiana, voately reo. 30Tamy finoa ro nirodagnany mandany Jeriko, lafa baka nihodiky nandritsy gny fito andro reo. 31Tamy finoa ro tsy nahafaty any Rahaba gnazy makorely niaraky tamindreo mpaniasia, fotony nandramby mpisafo reo tamy tany fiadagna I.32Ino avao koa ro afaky ambarako? Fa ho lany gny fotoako laha misafa mombany Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela sady mombandreo mpaminany zaho. 33Tamy gnalala gny finoa ro nahazoandreo gny fanjaka, niasa an-drariny sady nandramby fampagnaregna reo. Nagnakombo gny vavany reo rozy, 34namono gny heriny motso, nandositsy gny lelany sabatsy, janga tamy gnarety reo, nandrary natanjaky an-kaly sady nandresy tafiky vahiny reo.35Nitsanga tamy maty tamy fagnaganan-kovelo any ampela reo. Gnazy hafa reo nampijalia, tamy tsy fagnekea gny famotsora mba hahazoan-dreo fitsangana soasoa kokoa. 36Gny hafa ro nitsapay tamy fikizaha voho gny famangoa, na gny fatotsy vohogny fagnagadra aza. 37Nitorahy vato tamy sabatsy reo. Nivonoa tamy sabatsy reo. Nirenireny tamy hoditsiny aomby sy hoditsiny baingy reo. Nijaly reo, nampitahory, nampahoria. [Fagnamariha: gny dikan-tsafa sasany taloha ro mivaky hoe: "Nitoraham-bato reo. Nitapahy nizara roa. Nampandalovy fitsapa. Nivonoa tamy sabatsy."] 38Tontolo iaby zao ro tsy mendriky andreo. Nirenireny tagnefitsy tagny, tamy tendrombohitsy reo, tamy lavakiny vato reo sady tamy lavaky ambaniny tany reo.39Fa reo olo iaby reo la neken-Dragnahary noho ngy finoandreo, tsy nandray ny fampanantenana I reo. 40Nanoma raha soasoa bevata ho antsika Ndragnahary, mba tsy ho lavorary I reo, laha tsy misy antsika.
Chapter 12

1Noho zay, fotony tsika voadidy vavolombelo maro be manahaky gny raho, ka andao tsika hamela gny vesatry iaby voho gny fahota maro magnodidy antsika. Ndao tsika hilomay am-pahareta gny filomesany ze napetsaky talohantsika teo. 2Andao tsika hitao amy Jesosy, gny mpanomboky sy mpagnatanteraky gny finoa. Noho gny hafalea ze napetraky talohany, niaritsy gny hazo fijalia I, tsy nidary gny hegnatsiny zay, ka nipetsaky tan-kavagnany seza fiandrian-Dragnahary. 3Laha zay saitsaigno gny momba Azy, gnazy raiky ze niaritsy fandava baka amindreo mpanota hanohitsy gny gnainy, mba tsy ho reraky am-pondreo nareo ka hibaboky.4Mbo tsy nanohitsy nareo na niezaky hanohitsy gny fahota hatramy gny fahalatsan-dra, 5ka halignonareo gny fampahereza ze nampianary anareo manahaky amy gnanaky hoe: "Anaky lahiko, ka magnamaiva gny fitsipiky gny Tompo, na mihamokotsy lafa ahinty nareo." 6Fa gny Tompo mandilo gny iaby ze tiany, ka I magnasazy gny gnanaky tsiraikiraiky ze rambesiny.7Miareta fijalia manahaky gny fitsipiky. Zagnahary manday anareo manahaky gnanaky. Gnanaky ino ro teo ka tsy nifaiziny babany? 8Fa laha tsy mana fitsipiky nareo ze anagnan'olo iaby, gnanaky amonto nareo fa tsy gnanakiny.9Nana gny baba ara-nofo manahaky gny mpandilo tsika, sady nagnaja andreo tsika. Tsy tokony hagnaja gny babany gny fagnahy va tsika ka ho velo? 10Mbo hoanizao koa, babantsika reo nandilo antsika nandritsy gny andro kelikely araky ze to tamindreo. 11Nefa, Zagnahary nanao anizay ho any ze soa hoantsika mba hahafantsika mana anjara amy fahamasignany. Tsy misy fandiloa miseho hahafinaritsy, fa fijalia. Kanefa zay afara ao ro mamokatsy gny vokatsy feno fiadana gny fahamarina hoandreo ze nizary taminizay.12Noho zay hatanjaho gny tagnanareo ze mirefarefa sy gny lohalikinareo malemy. 13 Magnamboara lala mahinty hoany tombokinareo, mba ze malemy ro tsy hipitsiky fa ho janga.14Magnenjeha fiadana miaraky amy gnolo iaby, ka gny fagnamasina avao koa ze tsy hahita ndra ia ndra ia gny Tompo laha tsy miaraky aminizay. 15Mitahoa mba tsy hisy ndra ia ndra ia tsy hana gny fahasoavan-Dragnahary, ka tsy hisy fototsiny mafaitsy mitombo hiteraky koronta, mba tsy maro ro lasa voaloto aminizay. 16Mitahoa mba tsy hisy fifampirafesa na tsy olon-Dragnahary manahaky any Esao, ze nivarotsy gny maha zoky azy amy hany raiky. 17Fe nareo nahay fa lafa afaky zay, lafa nagniry gny handova gny fitahia I, ka nolavina, fotony tsy nahita hiriky amy fibebaha, na nikatsaky anizay tamin-dranomaso aza.18Nareo tsy niavy tamy tendrombohitsy tsy azo kasihy, tendrombohitsy gny motso mandoro, maiziky, fahamazigna sady tafiotsy.19Nareo ro tsy avy tamy trompetra magneno mare, na tamy feo ze mivola gny safa ze mpijanjy ro nangataky mba tsy hisy safa hafa ho ambarany amindreo. 20Reo tsy afaky niaritsy ze nodidiany hoe: "Fa na gny biby mikasiky gny tendrombohitsy aza, tsy maintsy ho torahy vato zay." [Fagnamariha: dikan-tsafa sasany taloha ro mivaky manahaky anizao: "Fa na biby raiky ze mikasiky gny tendrombohitsy aza, tsy maintsy ho torahy vato zay na ho vonoa amy gnanaky tsipiky.""] 21Mampitahotsy mare gnazy fahitany ze nambarany Mosesy hoe: "Mihirohoro zaho sady mangitikitiky"22Fe nareo koa ro avy tamy tendrombohitsy Ziona ka tamy tanan-Dragnahary velo, gny jerosalema an-dagnitsy agny, sady taminy anjely agnalignaly tamy fankalaza reo. 23Nareo ro avy tamy antokon'olo teraky voalohany, ze voasoratsy agnara an-dagnitsy agny. 24Nareo ro avy tamy Zagnahary teo, gnazy mpitsara gny iaby sady tamy fagnahin'olony fahamarigna ze natao tonga lafatsy reo. Nareo ro avy tamy Jesosy teo, gnazy mpagnelagnela gny fagneke vaovao, sady tamy ra latsaky ze soasoa noho gny ran'i Abela.25Aoky nareo tsy handa gnazy raiky ze mivola. Fa laha tsy nilay reo tamindreo nanda gny raiky ze nampitandry andreo tantany tetoy, kelikely gny hilaisantsika lahamihodiky amy gnazy raiky ze nampitandremy antsika baka an-dagnitsy tsika. 26Tamy fotoa raiky, gny feony nagnozongozo gny tany. Hanany zao I nampagnategna sy nivola hoe: "Mbo hagnozongozo ndraiky mandeha, tsy gny tany avao zaho fa gny lagnitsy avao koa."27Teny reo, "Indraiky mandeha" midika gny famindra raha ze afaky hozongozogny, zay ro raha ze niharia, mba hipetsaky raha ze tsy azo hozongozogny. 28Noho zay, fotony mandramby fanjaka ze tsy azo hozongozogny, ka aoky ho mpisaotsy tsika sady amizay fomba zay ro hidera an-Dragnahary am-pagnaja fatsatsy sy amy tahotsy. 29Fa gny Zagnahary ro motso mandevo.
Chapter 13

1Aoky hitohy gny fitiava am-piralahia. 2Ka magnaligno gny fampiantragnoa vahiny. Fa tamy gnalalan'zay ro nagnehoany gny sasany fampiantragnoa anjely tsy nihainy zay.3Tiarovo gny gadra, toy gny hoe niaraky nifatotsy tamindreo nareo. Tiarovo reo ze nampahoria, toy gny hoe reo avao koa nareo amigny vata. 4Aoky ho hajainy gny tsiraikiraiky gny fanambalia. Aoky gny kidorony gny fanambalia mba halio, fa Zagnahary hitsara mpagala-balin'olo reo sy mpijangajanga reo.5Engao gny fitondran-tegnareo ho afaky amy fitiavam-bola. Mifalia amy gny raha ze anagnanareo, fotony Zagnahary tenany ro nivola hoe: "Zaho tsy hagnenga anareo mihintsy, na hahafoy anareo." 6Aleo tsika ho faly mba hahasaky hivola hoe: "Gny Tompo ro mpamonjiko; ka tsy hataotsy zaho. Ino ro azogn'olo atao amiko?"7Diniho mpitariky anareo reo, reo nivola gny safan-Dragnahary taminareo, diniho gny vokatsy gny fihetsikindreo. Angalao tahaky gny finoandreo. 8Jesosy Kristy tsy miova nomaly, hananizao sady mandrakizay.9Ka magneky taomy amy karaza gny fampianara hafahafa. Fa soa raha tokony hamafisy amy fahasoava gny fo, fa tsy amy hany ze tsy magnampy ze mandeha miaraky amindreo. 10Tsika mana alitara tsy ananandreo ze manompo tabernakely fahefa hihina. 11Fa gny rany biby nivonoa natao fagnatitsy reo ho any ota, nandesiny mpisoronabe tamy toera masy, nandritran'izay gny fatandreo ro nidoroa tamontony toby tagny.12Noho zay Jesosy avao koa ro nijaly tamontony vavahadiny tana, mba hagnamafisa vahoaky reo amy gnalala gny rany manoka. 13Ndao tsika laha zay ho Aminy amontony toby agny, handay gny fahafam-barakany. 14Tsy mana tana maharitsy tsika etoy. Fe, miamby any raiky ze ho avy tsika.15Amy gnalalany, ndao tsika hanolotsy fagnati-pidera ho an-Dragnahary avao, fidera vokatsy gny vava ze magneky agnarany. 16Aleo tsy ho alignotsika gny manao soa voho magnampy gny tsirairaiky aby, fa amy fanatitsy manahaky anizay ro tena mahafaly an-Dragnahary. 17Mankatoava sy manekeha mpitariky anareo reo, fa reo ro miahy gny fagnahinareo, manahaky reo ze hanao tatitsy. Manekeha mba hanao anizay an-kafalea mpitondra anareo reo, fa tsy am-pisetoa, ze lasa tsy misy dikany ho nareo.18Mivava ho anay, fa zahay nino fa mana feony fieritrereta malio sady magniry hiay am-pahamarina gny raha iaby. 19Manosiky anareo mare zaho mba hanao anizay, ka mba himpoly malaky aminareo Zaho.20Zanahary gny fiadana, nananga tamy maty ilay mpiamby ondry bevata, Tompontsika Jesosy, tamy alalany ra fenekea mandrakizay,21hanasoa anareo amy asa soa iaby mba hanaova gny sitrapony. I anie hiasa anatintsika ze ankasitraha eo anatrehany, amy alalany Jesosy Kristy, zay hamea gny voninahitsy mandrakizay. Amena.22Mankahery anareo zaho, ralahy, mba handay ny teny ny fampahereza kelikely nosoratako ho anareo. 23Fantaro fa efa naboaky Timoty rahalahintsika, hiaraky amiko hanenty anareo laha avy aloha I.24Ataovo veloma nazy mpitariky anareo sy nazy mpino iaby. Nazy baka Italia manao veloma anareo. 25Ho amy nareo iaby ny fahasoava.

James

Chapter 1

1Jakoba, mpanompon-Dragnahary sy Tompo Jesosy Kristy, ho andreo foko roa ambign'ny folo niparitaky: arahaba. 2Rambeso ho fifalia iaby zay, ry rahalahy, lafa mandalo ola sanihafa iaby nareo. 3Hainareo va gny fitsapa gny finoagnareo ro naha avy fahareta.4Engao gny fahareta hahatantaraky gny asany, tena hivoatry voho ho feno tanteraky nareo iaby, fa tsy ho ory ndra ino ndra ino. 5Lafa misy aminareo mila fahendre, engao I angataky gn'agny amy Ndragnahary, raiky zay nagnome an-tsitrapo voho tsy mandatsa zay iaby mangataky, sady nomegny azy zao.6Engao I hangataky amigny finoa, tsy misalasala amign'ino ndra ino. Fa zay misalasala de magnahaky gny onja-driaky zay ndesign'ny tsioky volo mitopatopa. 7Zao olo zao là tsy tokony hieritreritry gny handramby ndra ino ndra ino baka amign'ny Tompo. 8Ny olo manahaka zao là miroa sahy, mivalibaliky amign'ny lala iaby.9Engao gny rahalahy saira hanao gny fisandrata ho voninahitrigny. 10Gny olo manan-kareha amign'ny fietreny, fotony I là hilofoky manahaka gny voninkazogn'ala agny amign'ny akata. 11Gny masoandro ro miposaky amign'ny hafagna may sady manamay gny ala. Gny vonikazogn'ala mihintsa, sady gny hahasoany de ho levo. Manakagn'zao koa, gny olo manan-kareha là halazo agny amign'ny antsasaky gny lalagny.12Sambatry gny olo ze miaritry fitsapa. Fotony lafa baka nandalo fitsapa I, de hangalaky gny satroboninahitry gny fiaina, zay nampagnatenay tamy dreo zay teo agn-dragnahary. 13Lafa misy alaim-panahy de engao I tsy hivola hoe: ''Ndragnahary ro nila fagnahy zaho'', fotony ndragnahary tsy azogn'ny raty rambesy fagnahy, ndraiky tsy mba mandramby ndre agn'ia ndre agn'ia.14Fa samby alaim-pagnahy amign'ny faniria manoka gny olo kiraikiraiky, zay mampisitaky voho mandresy azy. 15Lafa baka tinorotoro gny faniria, là miteraky fahotà zao. Sady lafa mitombo tanteraky gny ota, laha miteraky fahafatesa. 16Ka mety ho fitahy, Rahalahy teako.17Gny fanomezan-tsoa iaby voho gny fanomeza tonga lafatry iaby là baka agny agnabo. Zay là mijotro baka amign'ny babagn'ni fahazava. Miaraky amigny là tsy misy fiova ndra aloky nohogn'ny fiodina. 18Ndragnahary là nisafily gny hagnome fitera antsika amign'ny volagn'ny fahamaria, mba ho karaza voaloham-bokatry reo raha iaby zay noforogny tsika.19Hainareo zao, rahalahy teako: engao gny olo iaby halaky hijanjy, tsy hivola malaky, sady tsy halaky ho romontry. 20Gny hatezeragn'olo là tsy maha voa solo gny famarignan-Dragnahary . 21koa ngao gny fahalotoa iaby voho gny faharatina iaby. Amim-panetre-tena là rambeso gny vola lafa nampetraky, zay afaky mamonjy gny fagnahinareo.22Angao ho mpankato gny vola nareo iaby fa tsy mpijanjy amizao avao, ka mamitaky gny naignareo. 23Laha misy mpijanjy gny vola lafa tsy mpankato, là tahaky gny olo zay mandigniky gny sorany voajagnahary agnaty fitaratry I. 24Mandigniky gny gnaigny I ka mandeha bakeo sady magnalino avy hatrany gny mikasiky azy. 25Gny olo zay mandignihy soa gny lalàgn'ny fahafaha tonga lafatry, voho manohy manao zao, fa tsy mpijanjy fotsiny zay magnalino, de ho tahy amin-dreo asany zao olo zao.26Lafa misy mihevi-tena ho mpivavaky, lafa tsy mifehy gny lela, là mamitaky gny fony I, sady tsy misy viligny gny fivavaha. 27Gny fivavaha malio voho tsy misy loto eo agnatrehagn-Dragnahary voho gny babantsika de zao: hagnampy reo kamboty voho reo mpitarihaigny amign'ny fahavohazagn'dreo, sady mitahy gny haigny mba tsy hisy loto baka amign'zao tontolo zao.

Chapter 2

1Ry rahalahiko, ka mitaha gny finoa an'i Tompontsika Jesosy Kristy, Tompony gny voninahitry, amign'ny fiagara amign'olo sasany. 2Ataovy hoe misy olo militsy ao amin'ny fivorianareo manao peratry volamena sy siky soa, ary misy lehilahy mahantra koa militsy manao akanjo maloto. 3Raha mijery an'ny olo misiky soa io iha ary mivola azy hoe: ''Azafady mipetraha eo amin'ny toera soa'', fa hivola amign'ny lehilahy mahantra io aho hoe: ''Mitsangana eroy iha'', na hoe: ''Mitoboa amign'ny tomboko eto,'' 4ka tsy mifampitsara aminareo ianareo va? Moa tsy lasa mpitsara amign'ny eritseri-dratsy nareo?5Mijanjina, ry rahalahy malalako, tsy fa nofilian-Dragnahary va gny mijaly amign'izao tontolo izao mba hanankarena amign'ny finoa sy mba ho mpandova ny fanjakana izay nampanantenain'ireo izay tia Azy? 6Fa nareo nanala baraka gny mijaly! Moa va tsy gny mpanan-karena no Ka tsy gny mpanan-karena va ro mampijaly anareo? Moa tsy reo va no mitariky anareo ho amin'ny fitsaraha? 7Ka mbo tsy reo avao va nagnaraty gny anara soa izay nanareo?8Ndre eo avao koa izay, laha manaraky gny lily gny mpanjaka nareo, araky gny Soratry Masina hoe: ''Tiavo gny namanao manahaky ny fitiavanao gny vatanao,'' dia manaova gny soa nareo. 9Fa laha magnome sitraky gny olo sasany nareo, dia manota, ka voaheloky toy gny mpandika lily iaby.10Fa na ia na ia mankato gny lily iaby, nefa lavo amign'ny lala raiky monja, de ho meloky amign'ny lala iaby. 11Ka azy nivola hoe: ''Aza mijanganjanga,'' nivola avao koa hoe:''Aza mamono olo.'' Raha tsy mijangajanga nareo, nefa mamono olo, dia mandika gny lily.12Noho zay mivolagna sy manaova manahaka azy ho tsaray reo amign'ny lily gny fahafaha. 13Fa gny fitsaraha dia ho avy tsymisy famindram-po amin'ireo izay tsy naneho gny famindra-po. Ary gny famindra-po de mandresy gny fitsarana.14Ino moa gny soa, ry rahalahiko, raha mivola gny olo raiky fa manam-pinoa Izy, nefa tsy misy asa? Afaky hamonjy azy va zay finoa zay? 15Ataovy hoe misy rahalahy na anabavy raty fisikina sy tsy ampy hany isan'andro. 16Atavoy hoe misy raiky aminareo mivola amindreo hoe: ''Mandehana am-pilamina, manaova mafan ary mivokisa.'' Raha tsy magnome andreo gny raha ilany ho amign'ny vata nareo, ka ino no mahasoa an'izay? 17Manahaka an'izay koa gny finoa, raha tsy asa izay, laha maty.18Kanefa misy olo mivola hoe:''Manam-pinoa iha, ka izaho managnasa.'' Atoroy ahy gny finoanao tsy misy asa, fa hatoroko anao koa gny finoako amign'ny alalan'ny asako. 19Mino iha fa raiky avao Dragnahary; soa raha ataonao zao. Fa na reo domonia aza mino koa, ka mavozo koa reo. 20Teanareo ho hay va, ry lehilahy adala, fa gny finoa tsy misy asa dia tsy misy ila azy? [Fanamariha: gny dikan-tsafa taloha sasany dia mamaky hoe:''Tianareo ho hay va, ry lehilahy adala, fa manino gny finoa tsy misy asa no maty?'']21Tsy tamign'asa koa va nagnamariha an'i Abrahama raintsika fa nanolotry an'Isaka gnanakiny lehilahy teo amign'ny alitara i ? 22Hitanao fa gny finoa ro niasa niaraky tamign'ny asany, ary amign'ny asa ro nivoatra tanteraky gny finoany. 23Tanteraky gny soratsy Masy zay mivola hoe: ''Adrahama nino an'Andrianagnahary, ka nisay taminy ho fahamarina zay.'' Ary I nikeky hoe: Sakaizan'Andrianagnahary. 24Jerinareo zao fa amy gn'asa ro hanamarina gny olo, fa tsy amy gny finoa avao.25Toy zao koa, Rahaba mpivaro-tene tsy nohamarina tamy gn'asa koa va I, Lafa nandramby reo raiky voho nandefa andreo tany lalan-kafa? 26Fa maty gny vata laha misaraky any gny fagnahy toy zao avao gny finoa tsy misy asa là maty.

Chapter 3

1Tsy olo maro ro tokony ho lasa mpampianatry, ry rahalahiko. Haintsika fa handramby fitsarà mafy vatany tsika. 2Fa tsika iaby ro ho tafintoha amign'ny fomba maro. Laha misy tsy tafintoha amigny resaky regny, de lelahy matotry tanteraky i, afaky mifehy ndre gnainy raiky manontolo.3Laha asiantsika ravaky vy ambaravaragn'ny sovaly mba haneken-dreo antsika, afaky manday gny vatan-dreo raiky manontolo koa tsika. 4Henteo koa fa sambo reo, ndre bevata manao akory, endesign'ny rivo-mahery, abihogn'ny familia tegna kely amign'izay tiagn'ny mpinday azy.5Manahaky agn'izay koa gny lela de rantsa kely amign'ny vata, kanefa i mihambo raha maro. Henteo koa gny hadiniky gny motro ze mandoro ala be.6 Gny lela koa manahaky motro, tontolo gny fahota napetraky tamign'ny ratsan-batantsika. Zay ro magnisy pentipenty gny vata raiky manontolo sady mandoro gny lalam-piaigna. Arehitry gny helo gnainy.7Fa gny karazam-biby lia iaby, voro, biby milaly, sy zava-boahary Ndragnahary ro folaky sady nofolahign'olombelo. 8Fa momba gny lela, tsy misy olo mahavita mamolaky zao. Io ro raty tsy hay fehezy, feno poizy mahafaty.9Amin'io ro hiderantsika gny Tompo sy gny Ray, mbo amin'io koa ro hanozonantsika olo, ze natao nitovy tamin-Ndragnahary.10 Baka amign'izay vava zay avao ro hibohagn'ny fitahia sy fagnozona. Ry rahalahiko, tsy tokony hiseho raha iaby reo.11Moa gny loharano va mamoaky rano mamy sy mafaitry baka amign'ny fiboahany?12 Moa gny hazogn'ny aviavy va, ry rahalahiko, mamoha oliva? Na gny voaloboky, mamoa aviavy? Gny rano masira koa tsy afaky hagnome rano mamy.13Ia ro hendry sy mahay agnivonareo eo? Ambelao zay olo zay hampiseho fiaigna soa amign'asany amign'ny fanentren-tegnan'ny fahendrea.14 Fa laha mana fialogna mangidy nareo sy fagnirian-daza am-ponareo, ka mihambo na mavandy magnohitry gny marina.15Zay tsy fahendrea nijotso baka agnabo any. Fe koa, avy amign'ny tany, gny tsy ara-pagnahy, 16gny devoly zay. Fa agny amign'izay misy fialogna sy fagnirian-daza, de misy fifanjevoa sy fagnaova gny raty iaby. 17Fa gny fahendrea baka agnabo any de malio, feno fiadagna, malemy fagnahy, mihevitry gny hafa, feno famindram-po sy vokatry soa, tsy malemy, sady tsotra. 18Gny vokatry gny fahamarigna de vofafy am-piadagna agnivon'izay mampihava.
Chapter 4

1Bakaia ro niavia ny aly sy fifagnolaha aminareo io?Sa va tsy avy bakam'ny fanirianareo amy mpikamba an'anivonareo? 2Maniry nareo nefa tsy mana.Mamono sy mitsiriritry gnareo,nefa tsy afaky ahazo.Mialy sy mifamono gnareo.Tsy mana gnareo satria tsy magantaky. 3Mangataky nareo fa tsy mahazo satria raty fangataky,mba ahafahagnareo mampiasa anizay aminy faniriagnareo.4Gnareo mpinjangajanga io!Vasa tsy hainareo fa ny fiaraha amy zao tontolo zao ro firafesa amin-Dragnahary?Fa na ia na ia ro te hiaraky amy zao tontolo zao de manao naina ho tsy naman-Dranahary. 5Vasa gnareo mandiniky hoe ny Soratry Masina mivola raha tsisy dikany,hoe:"Gny fanahy natao hiai amy ntsika ao va sarom-piaro mare?"6Fa Ndranahary manome fahasoava bevata mare,lafa zay,hoy ny Soratry Masina hoe:" Ndragnahary manohitry ny mpihebohebo,fe magnome fahasoava gny mpanetry tena" 7ka manennky an-Dragnahary.Tohero ny devoly,fa hilay agnareo i.8Mankarignia an-Dragnahary,fa hankarigniky agnareo I.Diovo gny tanagnareo,diovo gny fognareo,nazy mpihozongozo sai. Malahelova,misaona,ary mitania!Ao gny fihomeheza9 gnareo hivaliky fitania,de gny fifalia gnareo hivaliky mangonitry. 10Manetrea tena amy Tompo eo,fa hasondrotsigny gnareo.11Ka mifagnaraty gnareo,rahalahy.Gny olo magnaraty ny rahalahiny na mitsara ny rahalahiny ro manohitry gny lily sady mitsara gny lily.Laha mitsara gny lily gnareo,de tsy mpangneky gny lily,fa mpitsara. 12Raiky avao gny manome gny lily sy mitsara.I nazy raiky afaky mamonjy sy mandringa.Ia moa iha io,gnazy mitsara gnamanao ?13Ka midrandrina,gnareo gnazy mivola hoe:"Zao na hamaray ro hilitry amy tana io tsika,hijano tao raiky any,hanao varotry,sady hangala tombony."14 Ia ro mahay gny raha hiseho hamaray,ino gny fiaignanareo?Fa zavo potitry betibety gnareo bakeo rava.15Fe koa,tokony hivola gnareo hoe:"Laha sitrapogny Tompo,de ho velo tsika sady hagnao an'tya sy hagnao an'iroy." Henaniky zao gnareo mirehareha amy tetiky16 mihebohebo.Gny firehareha manao anizay dia raty. 17Ka ho agny zay tsy mahay manao gny soa,de ho voaheloky ho azy i.
Chapter 5

1Ndehana bakao ze manankarea, mitomagnia sy midradradra nohon'ireo fahoria avy aminareo. 2Gny hanagnanareo faa lo, gny lambanareo fa lanin'ny kadradraky. Gny volamena vo gny volafotsinareo fa harafesy. 3Gny harefesy ro vavolombelo gni fitana anareo. Handro gni fonareo manaky gny afo. Nohajanareo gny anagnanareo ho amy reo andro farany.4Inty gny karamandreo mpiasa, mitaray gny karama ze tinanareo tsy hoandreo ze mamokatsy gny bahibonareo, ka reo fitaraignan'ny mpijinja, fa avy antsofy gny tompony agny iaby. 5Niay tamin'ny hanagna tantany teto nareo no nagnara-po tamin'ny tegnanareo. Matavezinareo ny fonareo hoan'ny gnandro fanonoa. 6Nagnameloky vo sady namono olo marina naeo. Tsy manohitsy anareo i.7Ka mahareta lehireo mandra-piavian'ny Tompo. Io gny mpamboly miamby gny vokatry lafo vily baka amin'ny tany. Miamby ampahareta n'izay i, mandrapahazahoany an'izay gny voalohany sy gny tapitsy ora. 8Mahareta avao koa naeo. Atanjao gny fonareo, fotony fa maniry gny fiavian'ny Tompo.9Ka mifampitaray lehireo, mba tsy ho tsaray naro. io gny mpitsara mitsanga ambaravara eo. 10Mangala ohatry lehireo, baka amin'ny fijalia sy gny faharetandreo mpaminany, ro ze nivola tamin'ny agnaran'ny Tompo.11 Io, ataotsika manahaky gny sambatsy reo ze fa niaritsy. Fa kasanareo gny fiaretan'ni Joba, no sady hainareo gny tanjon'ny Tompo, gny fangoraha voho gny famindra-po azy.12Fa atetin'ny iaby lehireo, ka minehaneha nde amin'ny lagnitsy ndre amin'ny tany, ndre amin'ny fiaigna hafa. Fe engao gny teninareo hoe :''Eka'' ro ''Eka'' ary gny ''Tsi '' ''Tsi'' na ty hilitsy amin'ny fitsara naeo.13Misy olo mijaly amin'ny ady sarotry va aminareo eo? Engao izy mba hivavaky. Misy olo sinisiny va? Engao hiantsa fidera.14 Misy marary va agnivonareo eo? Engao i hikaiky gny lohandoha gny fiangona, ka engao reo hivavaky gnainy. Engao reo hagnositsy menaky azay amy angnaran'ny Tompo. 15Gny fivavaky gny finoa ro hahajanga an'ny gnolo marary, ka ny Tompo hananga azy. Laha magnota i, hamotitsy azy Ndragnahary.16Ka mifanekea heloky nareo, no milongoa, mba ho janga nareo. Ngy vavaky ataon'ny olo marina no tena fatratsy amin'ny fiasany. 17Elia, lehilahy mitovy amintsika avao. Mivavaky mare i mba tsy hilatsahan'ny ora, ka tsy nilatsaky tamy tany18 agnati'ny telo tao sy enimbola vatany. Bakeo, nivavaky ndraiky Elia. Gny lagnitsy nagnome ranon'ora, ka ny tany namihy gny vokany.19Ry rahalahiko, laha misy aninareo reo ro miala amin'ny fahamarigna ka misy raiky magnampoly azy, 20tokony hoain'olo io fa ndre iha ndre iha mangala gny pagnota raiky amin'ny lala diso, hamonjy azy amin'ny fahafatesa no hanaro fahota lako.

1 Peter

Chapter 1

1Petera, apostolign'i Jesosy Kristy, ho agny reo zanaky am-pieleza, reo gnazy voafily, manare agn'i Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia. 2Izay araky gny fa nihain-Dragnahary Baba mialoha, voatoka gny Fanahy ho fankatoava sy famendraha gny lio gn'i Jesosy Kristy. Ho aminareo gny fahasoava, ary hitombo gny fiadana nareo.3Ho tahia Ndragnahary, Baban'i Jesosy Kristy Tompotsika. Tamy gny famindram-pony, ro nanomezany antsika fahateraha vaovao ho agn'ny fahatokisa gny lova. Zay lova zay ro tamy alala gny fitsangana gny Jesosy Kristy tamy gny maty. 4Zay ro ho agny gny lova zay tsy ho maty, tsy ho simba, tsy ho levo. Zay ro voatoka ho anareo agny an-danitry. 5Gnareo ro arova gny herin-Dragnahary amy gny alala gny finoa, ho agn'gny famonjea zay fa vonona ho ambara amy gny fotoa farany.6Tena lavariaky momba zay nareo, na ilainareo aza gny hahatsiaro malahelo amy gny olana maro samy hafa henaniky zao. 7Zay ro ho agny gny fanaporofoa gny finoanareo, zay sarobidy bevata noho gny volamena gnazy simba, zay mba ho hita gny vokatry gny finoanareo amy gny fidera,bvoninahitry, ary haja amy gny hisehoagn'i Jesosy Kristy.8Tsy nahita Azy nareo, nefa tia Azy.Tsy mahita azy nareo henaniky zao, nefa mino Azy sady tena faly amy gny fifalia tsy hay volany. 9Rambesonareo henanaki zao gny vokatry gny finoa, zay gny famonjea gny fanahinareo. 10Reo mpaminany ro nikaroky sy nanontany soa gny momba izay famonjea izay, gny momba gny fahasoava izay ho anareo.11I reo gnazy mila gny hahay gny momba gny hoe ia sy ombia gny Fanahin'i Kristy amy ndreo ao ro mivola tamin-dreo. Izay ro niseho manahaky gny nivolaniny azy reo mialoha momba ireo fijalian'i Kristy sy gny voninahitry. 12Nambara tamindreo zay mba tsy hanompo gny vatany reo, fa nareo lafa nivola reo raha voalaza tamy nareo henaniky zao reo tamy gny alala reo zay nitory gny safasoa tamy nareo tamy gny alala gny Fanahy Masina nalefa baka an-danitry gny raha zay tiany reo Anjely ho hay.13Noho zay homano gny sainareo. Mahonona vata. Mametraha fatokisa amy gny fahasoava zay handesy aminareo amy gny hisehoan'i Jesosy Kristy. 14Amy gny maha gnanaky mpankàto, ka mapifanaraky gny vatanareo amy reo faniriagnazy narahinareo tamy gny mbo tsy nisy raha hay nareo.15Fa manahaky gnazy raiky nikaiky anareo hoe masi, nareo avao koa, aoka ho masi amy gny fitondran-tenanareo iaby. 16Fa voasoratry hoe: "Aoka ho masi, satria masi Aho." 17ka laha mikaiky gnazy raiky zay mitsara tsy misy fanavakavaha araky gny asan'olo tsiraikiraiky iaby hoe: "Ray" gnareo, ka handany gny fotoan'andronareo amy gny fanehoa fanaja.18Hainareo fa tsy baka amy gny volafoty na volamena mety levo ro nanavota anareo tamy fitondran-tena adala zay gnianara nareo tamy gnireo razanareo. 19Fa koa, navota tamy rà sarobidin'i Kristy gnareo, zay manahaky gnanak'ondry tsy misy kilema na tsiny.20Voafily taloha gny nanangana agn'izao raha iaby zao Kristy, fa henaky zao tamy gny fotoa farany ro gnanambarà Azy taminareo. 21Amy gny alalany ro hinoanareo an-Dragnahary, zay nananga azy tamy gny maty sy tamin'ireo nomeny voninahitry mba ho ao amin-Dragnahary gny finoa sy fahatokianareo.22Nandio gny fanahinareo tamy gny fankatoava gny fahamarina gnareo. Izay ro ho agny gny fitiava ara-pirahalahia malio; noho zay mifankativa mare amy gny fo. [Fanamariha: Reo dikan-tsafa sasany mivaky hoe: "Nandio gny fanahinareo tamy gny fankatova gny faharina tamy gny alala gny Fanahy gnareo"] 23Nateraky ndraiky gnareo, tsy baka amy gny vihy mety maty, fa baka amy vihy tsy mety maty, amy gny alala gny safan-Dragnahary velo sy mipetraky.24Fa "gny vata iaby manahaky gny haitry,gny vonihatry iaby manahaky gny voninkazo gny ahitry. Maiky gny ahitry,sady malazo gny vonikazo, 25fa gny safa gny Tompo, mipetraky mandrakizay." Izay gny vaovao mahafaly zay nambara taminareo.
Chapter 2

1Noho izay ario iaby gny raty, gny fahadisoam-panantena iaby, gny fiatsarambelatsihy, gny faniria, gny fanendrikendreha iaby. 2Manahaky gny zaza vo teraky, maniry ronono amy fanahy malio, mba hahafaha nareo mitombo ao amy gny famonjea amy gny alalan'izay, 3laha nahatsapa gnareo fa soa fanahy gny Tompo.4Mamondrea azy gnazy vato velo naria gny olo, fa voafilin-Dragnahary ho manan-danja Aminy. 5Gnareo avao koa ro manahaky gny vato velo gnazy voaory ho trano ara-panahy, mba ho mpisoro masignazy manolotry gny soro ara-panahy eken-Dragnahary amy gny alalan'i Jesosy Kristy.6Gny Soratry Masina ahita izao: "Indro, Zaho mipetraky amy gny Ziona vato fehizoro, voafily sy manan-danja. Zay mino azy ro tsy ho menatry."7Noho zay gny voninahitry ro ho anao zay mino. Kanefa,"gny vato narian'ireo mpanori tsano, izay ro nandrary loahan'ny fehizoro" 8sady, vato mampisitsy sy vatolampy mahalavo. Tafisitsy i reo, tsy nanenky gny safa, gnazy voatoka ho andreo avao koa.9Fa olom-boafidy ianao,mpisoro gny mpanjaka, firenena masi, olo ho agn'gny fananan-Dragnahary, mba ho afaky hanambara gny hasoan'ireo asa gnazy raiky zay nikaiky anao baka amy maiziky ho ao amy gny hazava mahatseriky iha. 10Taloha iha tsy olo, kanefa henaniky zao iha ro olon-Dragnahary. Tsy nandramby famidram-po iha, fa henaniky io iha nandramby famindram-po.11Ry malala, mikaiky anareo manahaky gny vahiny sy mpivezivezy aho mba hifaly gny filà gny vata, zay nahavy aly manohitry gny fanahinareo. 12Tokony mana fitondran-tena soa gnareo eo amy reo Jentilisa, mba ho, laha miresaky momba anareo ho gnanao raha raty I reo, tokony ahita reo asa soanareo sy hanakalaza an-Dragnahary amy gny andro zay hiaviany.13Ekeo iaby gny fahefa gny olombelo noho gny amy gny Tompo. Ekeo ho ambony indrindra gny mpanjaka, 14sy ireo governora koa, gnazy nalefa mba hanasazy ireo mpanao raty sy hankalaza reo gnazy manao gny tsara. 15Fa zay ro sitrapon-dragnahary, amy gny fanaova gny soa anareo ro mampantsintsiny gny resaky tsy mahalala fomban'ny olo adala. 16Manahaky gny maha olo afaky, ka ampesay manahaky gny fanarona fahalemea gny fahafahanao, fa aoka ho toy gny mpanompon-Dragnahary. 17Omeo vonihatry gny olo iaby. Tiavo gny firahalahia. Matahora an-Dragnahary. Omeo voninahitry gny mpanjaka.18Ry mpanompo, meteza haneky gny Tomponareo amy gny fanajana rehetra. Ka manenky ho mpanompo gny tsara sy ho tompo soa fanahy, fa ho agny reo raty toetry avao koa. 19Satria mendri-pidera izay laha misy miaritsy fanaintaina lafa mijaly amy gny tsy rariny noho gny fanantenany an-Dragnahary. 20Fa ohatrino gny vola laha manota iha azy miaritry mandritry gny fanasazia anao bakeo? Fa laha nanao gny soa iha ary miaritry mandritry gny fanasazia anao, dia mendri-pidera amin-Dragnahary izay.21Fa noho ity no nikeha anao,satria Kristy koa mba mijaly ho anao. Nanenga hoatry ho anao I mba hanaraha reo lalany. 22Tsy nanota I, na hoe nisy fitaky tam-bavany. 23Lafa notenena raty I, tsy mba namaly raty. Lafa nijaly I, tsy nandraho, fa nanolotry gny vatany tamy raiky zay Mpitsara ampahamarina.24I mihitsy ro nanday ireo fahotantsika tao amy gny vatany ho eo ambony hazo, mba tsy hana anjara amy gny fahota koa tsika, ary mba hiai ho agny gny fahamarina. Tamy gny alala gny feriny no nahajanga anareo. 25Nivezivezy manahaky gny ondry tsobo nareo iaby, fa henaninky zao nareo nimpoly tamy gny mpiamby ondry sy mpiamby gny fanahinareo.
Chapter 3

1Amy zay fomba zay, gnareo ampela ro tokony hanenky gny valinareo. Ataovo zay na misy johary maro aza tsy manenky gny safa, sady mety ho azo I reo na tsy misy aza gny safa, amy gny alala gny fitondran-tena gny valin-dreo. 2Fa reo ro hahita gny fitondran-tena mendriky am-panaja.3Aoky izay ho tanteraky tsy miaraky amy reo fihamy amonto: talim-bolo, firavaky volamena, na akanjo lamody. 4Fa koa, aoka zay ho tanteraky miaraky amy zay ao am-pon'olo, sy ny hasoa maharitsy gny fanahy soa sy mangina, gnazy sarobidy eo anatrehan-Dragnahary.5Fa reo ampela masi taloha ro nandravaky gny vatany ndreo manahaky anizay. Gnana fahatokia an-Dragnahary reo sady nanenky gny valiny iaby. 6Manahaky zay fomba zay ro nankatoavan'i Abrahama an'i Saraha sy nikehany azy ho tompony. Nareo ro anakiny henaniky zao laha manao izay soa sy tsy matahotry olo nareo.7Mananahaky izay koa, nareo johary no tokony miai miaraky amy gny valinareo araky gny fahazavan-tsai, manahaky gny fanaky malemy mare, gny ampela. Tokony omeanareo vonihatry reo manahaky gny mpiara-mandova gny fanoneza gny fiaina. Ataovo zay mba tsy ho voasaka gny vavaky nareo.8Farany, nareo iaby, aoka hiray say, hangoraky, hifankatia manahaky gny mpirahalahy, ho tso-po, sady hanetri-tena. 9Ka mamaly raty gny raty na manevateva gny mpanevateva. Mifanohitry amy zay aza, mitahia avao, fa noho izay ro nikeha anareo, mba hahafahanareo mandova gny fitahia.10"Gnazy raiky zay te hankafy gny fiaina sy te hahita andro soa ro tokony hanenga gny lelany amy gny raty sy gny sominy amy gny fivolana fitaky. 11Ao I hiala amy gny zay atao hoe raty ka hanao zay soa. Aoka I hila fiadana sy hitaky anizay. 12Gny mason'ny Tompo mahita gny tô, ka gny sofiny mahare reo fangataha ndreo. Fa gny tarehin'ny Tompo ro manohitry reo zay manao raty."13Ia gnazy raiky zay hamango anareo laha maniry gny hanao gny soa gnareo? 14Nefa sambatry gnareo laha mijaly noho gny fahamarina. Ka mavozo zay havozoan-dreo. Ka mangorohoro.15Fa koa, atokano ho masy am-ponareo ao Tompo Kristy. Mivonona avao hamaly gny olo iaby zay manontany anareo gny antony hatokinareo an-Dragnahary. Ataovo amy gny halemem-panahy sy fanaja izay. 16Magnàna feo gny fieritsereta malio, fa gny olo zay manevateva gny fiaina soa gnareo amin'Kristy ro mety menatry satria mivola manohitry anareo reo manahaky gny mpanao raty gnareo. 17Soa mare, laha Ndragnahary ro maniry, fa mijaly gnareo amy gny fanaova gny soa noho gny fanaova gny raty.18Fa nijaly noho gny fahota koa i Kristy. I gnazy tô ro nijaly ho antsika, zay tsy tô, mba hanandesany antsika amin-Dragnahary eo. Novonoy tamy gny vata I, fa novelomin'gny Fanahy. 19Tamy alala gny fanahy ro nandehanany ka nitory ho agn'ireo fanahy zay mbo an-gaja henaniky zao. 20Tsy nanenky reo lafa niamby gny faharetan-Dragnahary tamy gny andron'i Noa, tamy gny andro gny fanangana sambofiara, sady Ndragnahary namonjy olo kely_fanahy valo_tamy gny rano.21Izay ro famantara gny batisa zay mamonjy anareo henaniky zao_tsy manahaky gny fananadiova gny loto amy gny vata,fa manahaky gny fikeha gny feo gny fieritsereta ho amin-Dragnahary_tamy gny alala gny fitsangan'i Jesosy Kristy tamy gny maty. 22Kristy ro eo an-tagna ankavanan-Dragnahary. Niakatry any an-dranitry I. Reo anjely, reo manam-pahefa sady gny hery ro tsy maintsy manenky Azy.
Chapter 4

1Noho izay, satria nijaly tamy gny vata i Kristy, ataovo fiadia gny vatanareo izay tanjo zay. Fa izay nijaly tamy gny vata ro nitsahatry tamy gny fahota. 2Vokatr'izay, gny olo manahaky zay, mandritra gny fotoa sisa hiainany, tsy hiai ho agn'gny faniria gny olo koa, fa hoa agn'ny sitrapon-Dragnahary.3Fa ampy zay gny fotoa lasa nanaova zay tia gny Jetilisa atao_gny hafalia gny vata, fijejojejoa, fimamoa, fitindran-tena mahamenatry, fisan-draty, sy reo asa gny fanompoan-tsampy maharikoriko. 4Heverin-dreo fa hafahafa satria tsy mikamba amy ndreo ao amy zay fanaram-po be izay gnareo, noho zay, hivola raty momba anareo reo. 5Hamaly gny raiky zay vono hitsara gny velo sy gny maty reo. 6Noho izay antony izay no nitoria gny vaovao mahafaly tamy reo maty koa, mba, na notsarai tamy gny vata manahaky gny olo aza i reo, hiaina manahaky an-Dragnahary ao amy gny fanahy.7Mariniky gny farany gny raha iaby. Noho izay tongava say, sady mionona amy gny eritseritsy gnareo ho agny gny fitiava bavaky. 8Ambonio gny raha iaby, manàna fitiava feno ho agny gny tsirairaiky iaby, fa gny fitiava mandrakotry fahota maro. 9Mifampiantranoa tsy am-pitaraina.10Fa gny tsirairaiky aminareo ro mandramby gny fanomeza mpahasoava, ampiasao hifanompoa izay. Manaova izay manahaky gny mpitan-draharaha gny fanomezam-pahasoava maro tsy vanga an-Dragnahary. 11Laha misy misafa, ao I hanao izay manahaky gny raiky misafa gny safan-Dragnahary. Laha misy manompo, aoka I ho avy amy gny hery zay vatsia Ndragnahary. Manaova reo raha reo mba hamem-boninahitry amy gny alalagn'i Jesosy Kristy amy gny fomba iaby Ndragnahary. Aoky ho agn'i Jesosy Kristy gny voninahitry sy hery mandrakizay doria. Amena.12Ry malala, ka rambesy ho fahafaha gny fitsapa amy gny motro gnazy niseho taminareo, manahaky gny hoe gnisy raha hafahafa niseho taminareo. 13Fa koa, na maro aza gny hiainanareo reo fijaliagn'i Kristy, mifalia, mba ho afaky mifaly koa nareo ka ho lavariaky amy gny fanamabara gny voninahiny. 14Laha nozivazivay noho gny agnaran'i Kristy gnareo, ho voatahy, satria gny Fanahin'gny vonihatry sy gny Fanahin-Dragnahary ro mipetraky ao aminareo.15Fa ao tsy hisy na ia na ia aminareo hijaly manahaky gny mpamono olo, mpangalatry, mpanao raty, na mpiraharaha gnany hafa. 16Fa laha misy mijaly ka Kristiana, ao I tsy ho menatry; fa koa, aoka hanome vonihatry an-Dragnahary amin'izay agnara zay I.17Fa fotoa zao hanomboa gny fitsara miaraky amy gny longon-Dragnahary. Laha manomboky amintsika izay, ino ro ho vokatry ho agny reo tsy manenky gny filazantsaran-Dragnahary? 18Sady laha "gny olo-marina aza ila tsy ho avotsy, amy gny fomba manao akory ro hisehoa gny olo tsy an-Dragnahary sy gny mpanota?" 19Noho izay aoka reo zay mijaly noho gny sitrapon-Dragnahary hametraky gny fanahin-dreo amy gny Mpamoro mahatoky amy gny fanaova soa.
Chapter 5

1Magnanatry reo loholo aminareo zaho, izaho, zay loholo nama. Zaho avao koa ro vavolombelo reo fijalian'i Kristy, sady koa mpikamaba ao amy gny voinahitry zay fa haboaky. 2Noho izay, magnanatry anareo zaho, ry loholo, embeno gny ondrin-Dragnahary gnazy aminareo eo. Araho maso reo, tsy amy gny fiteriterea, fa amy gny sitraponareo, araky gny sitrapon-Dragnahary. Araho maso reo, tsy amy gny vola maloto, fa an-tsitrapo. 3Ka manjakazaka amy gny olo zay tandremanareo. Fa koa, aoka ho fitaratry ho agn'gny ondry. 4Sady lafa miboaki gnazy Lohany gny mpiamby ondry, hahazo satro-boninahitry tsy mety simba gnareo.5Manahaky izay koa, gnareo tanora fanahy, maneke gny olo-bevata. Gnareo iaby, ampisikino fanetrea tena gny vatanareo ka mifanompoa. Fa Ndragnahary manohitry gny mpirehareha, fa manome fahasoava gny mpanetry tena. 6Noho izay manetre tena eo ambanin'gny tana-maherin-Dragnahary mba hanondrotany anareo amy izay fotoa izay. 7Apetraho eo Aminy gny fanahianareo iaby, satria I ro miahy anareo.8Mahonona tena, miambena. Devoly ro fahavalo, manondidy manahaky gny liona miero, mila zay olo ho arapakiny. 9Manohera azy. Miorea amy gny finoanareo. Hainareo fa izay fahoria izay ro manjo gny firaisan'ireo mpino manera an'izao tontolo zao koa.10Lafa baka nijaly nandritra gny fotoa kelikely gnareo, gny Ndragnahary gny fahasoava, zay nikaiky anareo ho amy gny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, ro hahatanteraky anareo, hananga anareo, sady hampahery anareo. 11Ho Azy anie gny fanjaka mandrakizay mandrakizay. Amena.12Rambesiko manahaky gny rahalahy mahatoky i Silasy, sady nanoratry safa kelikely ho anareo tamy gny alalany zaho. Mananatry anareo zaho sady manambara anareo fa izay nosoratako ro fahasoava marin-Dragnahary. Mijoroa amy izay. 13Gny ampela zay gnany Babylona, zay voafily niaraky taminareo, manao veloma anareo. Sady koa i Marka, anako lahy, manao veloma anareo. 14Mifanaova veloma amy gny fanoroha mpitiava. Ho aminreo iaby le gny fiadana zao ao amin'i Kristy.

2 Peter

Chapter 1

1Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'ireo ze nahazo gny finoa sarobidy manahaky zay nirambesinay, finoa ao amy gny fahamarinan-Dragnahary tsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy.2 Hampitomboy anie gny fahasoava voho gny fiadagna noho gny fahalala an-Dragnahary sy Jesosy Tompotsika.3Reo raha iaby mahakasiky gny herin-Dragnahary ho an'ny fiaina voho gny toe-pagnahy nameany antsika tamy gny fahalala an-Dragnahary, ze nikaiky antsika tamy gny alalan'ny voninahiny sy gny fahatsarany manoka.4 Tamy gny alalan'ireo, nameany teny fikasa soa sady bevata tsika, mba ho lasa mpizara amy gny fomban-Dragnahary nareo, laha miala gny fahalotoa an-tany eto noho ireo filan-draty.5Noho zay, manaova gny soa avao mba hanampia fahatsara amy alala gny finoanareo, amy alala gny fahatsaranareo, gny fahalala.6 Amy alala gny fahalalanareo , manampia fahononam-po, ka amy alala gny fahononam-ponareo manampia fihareta, amy alala gny fiharetanareo, manampia toe-pagnahy.7 Amy alala gny toe-pagnahy nareo, manampia fitiava lehireo, ka amy alala gny fitiava lehireo, manampia fitiava.8Laha aminareo ao reo ka mitombo ao aminareo, tsy hamoa na tsy hamokatsy amy gny fahalala an'i Jesosy Kristy Tompotsika nareo.9 Fa ndra ia ndra ia tsy ampy reo raha reo, tsy mahita afa tsy ze mariniky; goa i. Nihalignony gny fagnadiova azy tamy reo fahotany taloha.10Noho zay, lehireo, ataovo gny raha iaby mba hahazoa antoky gny fikahia voho gny fifidiana anareo. Laha manao reo raha reo nareo, tsy ho voafinga.11 Amy zay malalaky ho anareo gny filira ao amy gny fanjaka mandrakizay ze an'ny Tompotsika sy Jesosy Kristy mpamonjy.12Noho zay, vonona avao zaho hampatiaro anareo reo raha iaby reo, na fa hainareo aza reo, sady na matanjaky ao amy gny marina aza nareo henanaky zao.13 Zaho mieritreritsy fa rariny amiko gny mamoha anareo amy gny fampahatsiahiva reo raha reo, laha mbo eto amy toy trano lay toy aho. 14Satria haiko fa tsy ho ela, ho halaiko gny trano laiko, manahaky ze natoron'i Jesosy Kristy Tompontsika ahy.15 Sady ho ataoko ze farany vitako mba hahatiarovanareo mandrakariva reo raha reo lafa roso aho.16Zahay tsy nagnaraky angano soa rafitsy ze niforony lafa niresaky taminareo gny momba gny hery sy gny nisehoan'i Jesosy Kristy Tompotsika. Fe kosa, zahay vavolombelo nahita gny fiandrianany.17 Fa i, naharamby laza aman-boninahitsy baka amin-Dragnahary Baba lafa nisy feo niavy taminy teo tamy voninahitsy bevata hoe: "Ty ro gnanako malalako, ze sitrako loatry" 18Nahare zay feo zay baka an-danitsy agny zahay, lafa niaraky taminy tan-tendrombohitsy masina.19Tsika mana ty teny faminania ze fa natao mafy ory ty. Tokony hitandry agny zay soa nareo. Zay manahaky gny jiro mazava anaty gny haiziky mandra-piavia gny maraindray sy gny kintan'ny maraindray miposaky am-ponareo ao.20 Ataovo hay tseky zao, tsy misy faminania baka amy gny fanaboahan-kevitsy gny olo.21 Tsy misy faminania baka amy gny sitrapo gny olo. Fe koa, notarihy gny Fagnahy Masina reo regny mba hivola zay nambaran-Draganahary
Chapter 2

1Gny mpaminany sandoky ro avy tamy gny olo, na gny mpampianatsy sandoky avao koa mbo ho avy amindreo. Hinday sain-diso mangingina mamotiky andreo, ka handà gny Tompo ze nivily andreo. Reo ro ninday fahapoteha malaky amindreo.2 Maro gny hagnaraky fijejojejoan-dreo, ka amy alala gny regny ro hivolanan-draty gny lalan'ny fahamarigna.3 Amy gny fiheregna ro hagnararaotany anareo miaraky amy gny teny mamitaky. Tsy ho ela gny fagnameloha andreo regny, tsy matory gny fahapotean-dreo regny.4Fa Ndragnahary tsy namindra fo an'ireo anjely ze nagnota. Fa koa natolony ho amy gny valagny tany reo mba ho voata amy gadra gny fahamaizigna mandra-pihavia gny fitsara. (Fagnamariha: gny dikan-teny sasany taloha mivaky manao an'izao hoe: Mba hofehezy ao amy gny lavaky gny fahamaizigna mandra-pihavia gny fitsara)5 Manahaky an'izay koa, tsy nagnenga an'izao tontolo zao I. Fa namonjy an'i Noah, ze mpitory gny fahamarigna, miaraky amy gny fito hafa, lafa ninday gny safo-drano tamy gny raty fagnahy teto amy zao tontolo zao I.6 Ndragnahary avao koa ro nanao an'ireo tanan'i Sodoma sy Gomora ho lavenoky ro nagnameloky andreo ho amy gny fahapoteha ho toy gny hoatsy ze hitranga amy gny raty fagnahy.7Fa i Lota marina, ze nampahoria tamy gny fitondran-tegnandreo olo tsy ara-dalagna tamy gny fijejojejoa, ka novonjen-Dragnahary.8 Fa zay lelahy marina zay, ze niay niaraky tamindreo sanandro, ro fadiranova tamy fagnahy gny fahamarignany noho ze hitany sy kasany.9 Hay gny Tompo gny fomba hamonjea an'ireo olo soa fagnahy amy reo fitsapa, voho gny fomba hitana an'ireo olo tsy marina ho amy gny famaiza amy gnandro fitsara.10Marina vatany zay ho andreo ze manohy amy gny fanirian-draty gny nofo sy manao tsinotsino gny fahefa. Mahasaky ro mitompo teny fatratsy rozy reo. Rozy reo, tsy mavozo hiteny raty an'ireo be voninahitsy.11 Reo anjely ro mana hery sy fahefa bevata, fa rozy reo tsy minday fitsara maniratsira manohitsy andreo amy gny Tompo.12Fa reo biby tsy manantsay reo ro natao ho sambory sy potehy. Tsy haindreo ze tsiratsiraindreo. Ho potiky rozy reo.13 Handramby gny valisoa gny raha raty nataondreo. Mihevitsy rozy fa gny tsy fiafia mandritry gny andro ro fahafinareta. Rozy reo ro be tasitasy voho tsigny. Mahafinaritsy andreo reo gny asa famitahandreo lafa nihina miaraky aminareo. (Fagnamariha: Reo dikan-teny sasany mivaky manao an'izao hoe: Mahafinaritsy andreo amy gny sakafom-pifankatiava")14 Adalanam-pela mijangajanga rozy reo; tsy afa-po amy gny fahota mihintsy reo. Mitariky fagnahy tsy mety maty ho amy gny fanaovan-draty reo, sady mana fo voahofa amy gny fitsiririta. Gnanaky gny fagnozona reo regny.15Niala tamy gny lala mahity reo. Nivio reo, ro nagnaraky gny lalan'i Balama gnanak'i Beora, ze tia gny tambin'ny tsy fahamarigna. (Fagnamariha: Reo dikan-teny sasany mivaky manao an'izao: "Balama, gnanak'i Bosora").16 Fa nahazo teny mahery i voho gny fandikan-dalagny manoka. Nisy boriky moa nivola tamy gny feon'olombelo nagnajano gny adalan'i mpaminany.17Reo olo reo, manahaky gny lohatao tsisy ora. Manahaky gny raho andesin-tsioky rozy reo. Natoka ho andreo reo gny haiziky matevy.18 Mivola tsy ampihevera reo. Mitao gny olo amy alalany gny fila gny nofo reo. Rozy reo ro mitao gny olo ze miezaky mandositsy an'ireo ze miay amy gny fahadisoa. 19Rozy reo, mampanantena fahafaha ho azy reo, kanefa vata tegnany aza andevozin'ny fahalotoa. Fa gny olo andevon'izay maharesy azy iaby20Ndra ia dra ia afaky amy gny fahalotoan'izao tontolo zao amy alala gny fahalala gny Tompo sy Jesosy Kristy Mpamonjy, bakeo mimpoly amy reo fahalotoa ndraiky, hanjary raty noho gny toe-draha voalohany gny toe-draha farany.21 Soa ho andreo gny tsy mahay gny lala gny fahamarigna noho gny mahay an'izay ka hivaliky amy gny didy Masina natolotsy andreo.22 To amindreo toy ohabola toy hoe: " Gny amboa ro mimpoly amy gny loany. Gny koso fa nisasa mimpoly mihoso potaky".
Chapter 3

1Henaniky zao, ry malala, manoratsy any toy taratasy faharoa toy ho gnanareo zaho ho fampatsiahiva handesy hampirisiha gny sainareo malio, 2mba hatiarovanao gny teny nambarany mpaminany masy taloha tagny sy gny lily gny Tompo sy Mpamonjy antsika ze nomeny Apostolinareo reo3Fantaro aloha zao, fa gny mpagniratsira ro ho avy amy andro farany. Reo ro hagneso sady handeha araky gny filandreo manoka. 4Reo hivola hoe: "Aia gny fampagnantena gny amy fimpoliany? Fa hatramizay noliany razam-be mandry, tsy niova gny raha iaby, na tamigny fanombohany zao tontolo zao aza."5Reo ro minia magnaligno fa gny lagnitsy voho gny tany ro nisy baka tamigny rano sady tamy gnalala gny rano, fotoa ela, 6noho gny lilin-Dragnahary, sady tamy gnalalany raha reo ro nandrava gny tontolo taminy zay fotoa zay, taminy tsodra-drano. 7Fa henany zao gny lagnitsy sy gny tany ro natoka ho any motso amy gnalalan'io lily io avao. Reo ro voatoka hoa amy gny androny fitsara sy gny fandringana gny olo raty fagnahy.8Aoky tsy ho halignonareo, ry malala, fa gny andro raiky amy Tompo, manahaky gny arivo tao, ka gny arivo tao manahaky gny andro raiky. 9Gny Tompo ro tsy ela amy fagnatanteraha gny fampanatenany reo, araky ze nambarany sasany ho fahelany. Fe, I ro maharitsy aminareo. Tsy teany ho trobo nareo, fa mba ho avy amy fibebaha gnolo iaby.10Na zay aza, ho avy manahaky gny mpangalatsy gny andron'i Tompo: Gny lagnitsy ro hanjavo miaraky amy feo mare. Gny raha iaby ro ho main'ny motso, gny tany sy gny asa aminy ao ro hambara. (Fagnamariha: Dikan-teny sasany ro miavaky manahaky anizao: "Gny raha iaby ro ho mainy motso, gny tany sy asa aminy ao reo ro ho dora iaby.")11Ka laha ho velo manahaky anizay raha iaby zao, tokony ho olo manao akory nareo? Tokony hiaigna amy fahamasina sy gny fiaigna araky an-Dragnahary nareo. 12Tokony hagnategna sady hampalaky gny fiaviany gnandron-Dragnahary nareo. Amy zay fotoa zay, gny lagnitsy ro ho levogny motso, gny raha iaby hiempo amy hafana be. 13Araky gny fampagnatenany, miamby gny lagnitsy vaovao sy tany vaovao tsika, ze hipetrahany fahamarina.14Noho zay, ry malala, fotony magnategna anizay raha zay nareo, manaova gny soa mare baka aminareo mba tsy hisy tasy sy tsy hanan-tsiny agnatrehany, am-piadagna. 15Eritrereto gny faharetan'ny Tompontsika amy famonjea, nanahaky gny nisoratan'i Paoly rahalahy malalantsika taminareo, araky gny fahendreha ze nomea azy. 16Paoly ro mivola anizay raha zay aminy taratasiny iaby ao, ze misy raha sarotsy takary. Olo tsy misy fahalala sady tsy miory ro magnova anireo raha reo, nanahaky gny hanaovany Soratsy Masy hafa avao koa, ka mahavy fahavereza ho any gnainy.17Noho zay, ry malala, fotony hainareo zay raha zay, tandremo gny gnainareo mba tsy ho voafandriky gny fitak'olo raty fagnahy ka ho trobo gny fahamarignanareo. 18Fa mitomboa amy fahasoava sy fahalala gny Tompontsika voho Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. Ho Gnazy lehy gny voninahitsy henany zao sady mandrakizay. Amena!

1 John

Chapter 1

1Izay hatraminy voalohany zay fa renay, zay fa jerinay tamindreo masonay, zay fa nojerenay, sady zay fa nokasihiny tagnanay, zay momba gny safa gny fiaigna. 2Toy zao avao koa, gny fiaigna nampafantary, sady fa jerinay zay, ka mijoro vavolombelo amy zay zahay. Zahay no manambara aminareo gny fiaigna mandrakizay, zay tao amy gny Ray, sady zay fa nampafantary anay.3Zay fa jerinay sy renay sady ambaranay aminareo avao koa, mba hanagnanareo fifandraisa misy eo aminay sady amy gny Ray sy amy gny gnanakiny, Jesosy kristy. 4Toy zay avao koa, manoratsy reo raha reo ho anareao zahay mba ho tanteraky gny fifaliantsika. [Fanamariha: Reo dikan-teny taloha sasany sady mivaky toy zao: ''Sady manoratsy reo raha reo zahay mba ho tanteraky gny hafalianareo.'']5Zao gny hafatsy zay fa renay avy taminy ka ambaranay aminareo: Andrianagnahary la fahazava, sady ao aminy la tsy misy maiziky marina. 6Raha mivola tsika fa mana fifandraisa Aminy sady mandeha ao anaty gny maiziky, sady mavandy tsika sady tsy manao gny marina. 7Kanefa raha mandeha ao amy gny fahazava, sady mana fifandraisa tsika mitovy Azy ao amy gny tsiraikiraiky avy tsika, sady gny ràn'i Jesosy gnanakiny ro magnalio antsika amy gny fahota iaby.8Raha mivola tsika fa tsy manampahota, la mamitaky gny vatantsika tsika, sady gny fahamaria la tsy ao amintsika. 9Nefa lafa miaiky reo fahotantsika tsika, I sady mahatoky sy marina amy gny famela reo fahotantsika sady magnalio antsika amy gny tsy fahamaria iaby. 10Lafa mivola azy ho mpavandy, sady ao amintsika gny safany.
Chapter 2

1Gnanakiny, manoratsy reto raha zaho mba tsy hagnontanareo. Lafa raha misy manota, sady mana mpisolo vava tsika miaraky amy gny Ray, Jesosy Kristy, lay marina. 2I ro fagnavota anareo fahotantsika, sady tsy gny antsika avao, fa gny an'zao tontolo zao raiky manotolo avao koa. 3Amy zay ro ahaizantsika fa mahay Azy tsika: laha mitandry reo didy tsika.4 Ilay mivola hoe: ''Mahay an'Andrianagnahary zaho,'' fa tsy mitandry reo didy, la mpavandy, sady gny marina tsy ao aminy. 5Fa na ia na ia mitandry gny safa, marina tokoa, sady ao amy zay olo zay ro nagnatanteraky gny fitiava Andrianagnahary. Amy zay ro ahaizantsika fa ao amy tsika. 6Ilay raiky zay mivola fa mipetsaky ao amy Andrianagnahary sady tokony andeha avao koa I mitovy gny nandehana i Jesosy kristy.7Ry malala, tsy manoratsy lily vaovao ho anareo zaho, fa lily taloha zay nanagnanareo hatramy zay voalohany. Gny lily taloha sady safa zay renareo. 8Fa manoratsy lily vaovao ho anareo zaho, zay marina ao amy Kristy sy ao aminareo, fotony gny maiziky sady mandalo, fa gny fahazava marina sady fa mamiratsy.9Ilay raiky mivola fa ao amy gny mazava I sady malay gny rahalahy sady ao anaty maiziky hatramy zao. 10Ilay raiky zay mitia gny rahalahy sady mitoetra ao amy gny mazava sady tsy hisy fotoa hanafitohina azy. 11Fa lay raiky zay malay sady mandeha ao amy gny maiziky; I la tsy mahay zay alehany, fotony gny maiziky fa nahajamba gny masony.12Manoratsy ho anareo zaho, ry gnanaky malala, fotony reo fahotanareo sady voavela nohony agnarany. 13Manoratsy ho anareo zaho, ry ray, fotony hainareo lay raiky avy amy gny voalohany. Manoratsy ho anareo zaho, ry zatovo, sady noresenareo lay raty. Fa nanoratsy ho anareo zaho, ry zaza maliniky, fotony ianareo sady mahay gny Ray. 14Fa nanoratsy ho anareo zaho, ry ray, fotony hainareo lay avy amy gny voalohany. Fa nanoratsy ho anareo zaho, ry zatovo, fotony mare ianareo, sady gny safa Andrianagnahary la mipetraky ao aminareo, sady ianareo la fa nandresy lay raty.15Aza mitia na an'zao tontolo zao na reo raha eo aminy. Lafa misy mitia an'zao tontolo zao, sady tsy ao aminy gny fitiavany Ray. 16Fa gny raha iaby zay ao aminy zao tontolo zao__ gny filany nofo, gny filany maso, voho gny fieboebony fiainana__zay tsy avy amy gny Ray fa avy amy zao tontolo zao. 17Zao tontolo zao sy gny faniriany la mandalo. Fa na ia na ia manao ny sitrapon'Andrianagnahary la hitoetra mandrakizay.18Rankizy, ty ro ora farany. Toy gny fa renareo fa ho avy gny antiKristy, henaniky zao maro reo antiKristy zay fa avy. Amy zay ro ahaizantsika fa ty ro ora farany. 19Niala tamintsika nareo, lafa tsy avy amintsika. Fa lafa tamintsika nareo sady nipetraky niaraky tamintsika. Fa raha niala nareo, sady nampiseho fa tsy tamintsika.20Fa mana fanosora avy amy gny lay raiky Masina ianareo, sady hainareo iaby gny marina. [Fanamariha: misy dikan-tsafa hafa sasany vaovao zay mivaky hoe: ''mana gny fahalala iaby ianareo.'' Gny dikan-tsafa sasany taloha la mivaky hoe : ''sady hainareo gny raha iaby.''] 21Tsy nanoratsy ho anareo zaho fotony ianareo tsy mahalala gny marina, fa fotony hainareo zay ka tsy misy vandy avy amy gny marina.22Ia ro mpavandy fa tsy lay raiky zay mandà fa i Jesosy no Kristy? Zay olo zay sady lay antikristy, lafa manda gny Ray sy gny Gnanaky I. 23Tsy misy olo zay manda gny Gnanaky ka hana gny Ray. Na ia na ia manaiky gny Gnanaky avao koa la mana gny Ray.24Fa ho anareo, aoka zay renareo hatramy voalohany hipetraky ao aminareo. Lafa zay renareo hatramy voalohany ro mipetraky ao aminareo, la hipetraky ao amy gny gnanaky sy ao amy gny Ray avao koa ianareo. 25Zay ro fampanantena nomeny antsika: gny fiaina mandrakizay. 26Fa nanoratsy zay raha zay ho anreo zaho mombany reo zay hitondra anareo amy gny lalan-diso.27Fa ho anareo, lay hosotra zay noraisinareo avy taminy la hipetraky ao aminareo, voho nareo la tsy mila olo mampianatsy anreo. Fa toy zay nampianariny fanosorany anareo gny raha iaby sady marina no tsy vandy, ary araky zay nampianarin'izay anareo, dia mitoera ao aminy. 28Henaniky zao, ry gnanaky malala, mipetraky ao aminy, mba lafa miseho I, sady hana fahasahia tsika sady tsy ho megnatsy eo anatsehany amy gny finiavany. 29Lafa hainareo fa I ro marina, hainareo fa zay raha manao gny mety la teraky taminy.
Chapter 3

1Igny toy gny fitiava nomeny Ray antsika, mba hikea antsika hoe gnanak'Andrianagnahary, sady zay tsika. Noho zay antony zay, zao tontolo zao la tsy mahay antsika, fotony tsy mahay azy zay. [Fanamariha: Gny dikan-tsafa taloha la tsy magnisy hoe: ''sady zay tsika.''] 2Ry malala, gnanak'Andrianagnahary tsika henaniky zao, sady zay no mbola tsy nivola hoe ho toy gny ino tsika. Tsika no mahay fa lafa miseho i Kristy, no ho mitovy azy tsika, fotony hijery Azy toa Azy tsika. 3Gny raha zay mana zay fahatokisa momba gny ho avy mifototsy aminy zay no magnalio gny vatany mba halio mitovy Azy.4Zay raha manota no manao zay tsy ara-dalagna; fa gny fahota no tsy ara-dalagna.5Nareo no mahay fa i Kristy no nivola mba hanala reo fahota, sady ao aminy no tsy misy fahota. 6Tsy misy olo zay mipetraky ao aminy ka mbola hanota avao. Tsy misy olo mbola manota nijery azy na nahay azy.7Nao gnanaky malala, aza enga hisy olo hamitaky anareo. Lay raiky zay manao gny fahamarina no marina, mitovy gny mahamarina an'i Kristy. 8Gnazy raiky zay manota no avy aminy devoly, fa gny devoly no nanota avao aminy voalohany. Noho zay antony zay gny Gnanak'Andrianagnahary no naseho, mba hahafahany mamotiky reo asany devoly.9Na ia na ia naterak'Andrianagnahary no tsy hanohy gny fahota fotony gny voa avy tamin'Andrianagnahary no mipetraky ao aminy. Tsy afaky manohy gny fahota I fotony naterak'Andrianagnahary. 10Ao amy zay ro hampisehoa reo gnanak'Andrianagnahary sy reo gnanaky gny devoly. Na ia na ia zay tsy manao gny marina no tsy avy amin'Andrianagnahary; na gny raiky zay tsy tia gny rahalahiny avao koa aza.11Fa zay ro hafatsy zay fa renareo hatrany aminy voalohany: fa tsika no tokony hifankatia, 12fa tsy toa an'i Kaina, zay avy aminy lay raty sy namono gny rahalahiny. Fa nahoa I ro namono azy? Fotony reo asany no raty, ro gny an'gny rahalahiny no marina.13Ka tseriky, ry rahalahy, raha mankahala anareo gny tagny. 14Haintsika fa ela niala taminy gny fahafatesa mankany amy gny fiaina tsika, fotony tia andreo rahalahy tsika. Zay tsy tia no mipetsaky agny amy gny fahafatesa. 15Zay mankahala gny rahalahiny no mpamono olo. Hainareo fa tsy misy mpamono olo mana fiaina mandrakizay mipetsaky ao aminy.16Amy zay ro hahaizantsika gny fitiava, fotony Kristy nanolotsy gny ainy ho antsika. Tsika avao koa no tokony manolotsy gny vatantsika ho andreo rahalahy. 17Fa na ia na ia mana gny harea zao tontolo zao, ka mahita gny fahasahiragna gny rahalahy, no mampihily gny fony fangorahany azy, amy gny fomba ahoa ro ipetrahany fitiavan'Andrianagnahary ao aminy? 18Ry gnanako malalako, aoka tsika tsy hitia amy gny safa na koa amy gny vava, fa amy gny asa sy fahamarina.19Avy amy zay ro hahaizantsika fa avy amy gny fahamarina tsika, ro mampatoky gny fontsika eo anatsehantsika. 20Fa lafa mangnameloky antsika gny fontsika, Andrianagnahary no bevata noho gny fontsika,no mahay gny raha iaby I. 21Ry malala, lafa tsy manameloky antsika gny fontsika, no mana fahatokisa amin'Andrianagnahary tsika. 22Na ino na ino angatahintsika no ho azontsika avy aminy, fotony tsika mitandrina reo lily sy manao zay ankasitrahany eo anatsehany.23Zay ro didy: tokony mino gny agnara gny Gnanaky Jesosy Kristy no mifankatia tsika, mitovy gny efa nanomezany antsika zay didy zay. 24Gny raiky zay mita reo didin'Andrianagnahary mipetsaky ao aminy. Amy zay ro hahaizantsika fa I no mipetsaky ao amintsika, amy gny Fanahy zay nomeny antsika.
Chapter 4

1Ry malala, ka mino gny fanahy iaby. Fa koa, mitsapà reo fanahy mba hijery fa avy amin'Andrianagnahary reo, fotony mpaminany sandoky maro ro fa niala taminy zao tontolo zao. 2Amy zao ro ahaizanareo gny fanahin'Andrianagnahary gny fanahy iaby zay maneky fa i Jesosy Kristy zay lasa nofo no avy amin'Andrinagnahary, 3sady gny fanahy iaby zay tsy maneky fa jesosy no tsy avy amin'Andrianagnahary. La zay gny fanahiny gny antiKristy, zay fa renareo fa ho avy, ary henanikizao no fa eto an-tany. [Fanamariha: misy dikan-tsafa taloha sasany no mivaky hoe: ''Sady gny fanahy iaby zay tsy manaiky fa Jesosy la tonga nofotry la tsy avy amin'Andrianafnahary. Zay ro fangnahy gny antiKristy, zay fa renareo fa ho avy, sady henaniky zao no fa eto an-tany."]4Nareo no avy amin'Andrianagnahary, ry gnanaky malala, sady fa nandresy andreo, fotony lay raiky zay ao aminareo no bevata mihoatsy noho lay raiky zay eto amy zao tontolo zao. 5Reo baka amy zao tontolo zao; noho zay zao raha nolagnindreo no avy amy zao tontolo zao sady mijajy andreo. 6Avy amin'Andrianagnahary tsika. Zay mahay gny Tompo no mijajy antsika. Amy zao ro ahaizantsika gny fanahy gny fahamarina sy gny fanahy gny fahadisoa.7Ry malala, aoka tsika hifankatia, fa gny fitiava no avy amin'Andrianagnahary, sady zay iaby mitia no naterak'Andrianagnahary sy mahay an'Andrianagnahary. 8Gny olo zay tsy mitia no tsy mahay an'Andrianagnahary, fotony Andrianagnahary no fitiava.9Noho zay gny fiavan'Andrinagnahary no nivolagny tamintsika, fa Andrianagnahary no nandefa gny gnanany lahitokany ho any zao tontolo zao mba ho velo noho I tsika. 10Ao amy zay gny fitiava zay, tsy gny nitiavantsika an'Andrianagnahary, fa gny fitiavany antsika, sady gny nandefasany gny Gnanany lahy ho fagnavota reo fahotantsika.11Ry malala, lafa tia loatsy antsika Andrianagnahary, no tokony hifankatia avao koa tsika. 12Tsy mbola nisy nahita an'Andrianagnahary. Fa lafa mifankatia tsika, sady mipetraky ao amintsika Andrianagnahary no gny fitiavany sady tanteraky ao amintsika.13Amy zay ro ahaizantsika fa mipetraky ao aminy tsika sady I ao amintsika, fotony I sady nanome gny sasany amy gny fanahiny. 14Sady avao koa, fa nahita tsika sady la fa mijoro vavolombelo fa gny Ray fa nandeha gny Gnanakiny lahy ho Mpamonjy any zao tontolo zao.15Na ia na ia maneky fa Jesosy no gnanaky lahin'Andrianagnahary, no mipetraky ao aminy Andrianagnahary sady I ao amin'Andrianagnahary. 16Tsika avao koa no nahay sady nino gny fitiava zay fa nananan'Andrianagnahary ho antsika. Andrianagnahary no fitiava, sady lay raiky zay mipetraky amy zay fitiava zay no mipetraky ao amin'Andrianagnahary, sady Andrianagnahary no mipetraky ao aminy.17Noho zay, zay fitiava zay no notanterahiny tamintsika, mba hanagnantsika fahatokisa amy gny andro gny fitsara, fotony toa azy, no toy zay avao koa tsika eto amin ty tany ty. 18Tsy misy tahotsy ao amy gny fitiava. Fa koa, gny fitiava tanteraky no manala gny tahotsy, fotony gny tahotsy no tsy maintsy miaraky amy gny sazy. Fa lay raiky zay matahotsy no tsy natao ho tanteraky ao amy gny fitiava.19Mitia tsika fotony Andrianagnahary nitia antsika voalohany. 20Lafa misy olo mivola hoe: ''Teako Andrianagnahary'' nefa tsy tia gny rahalahiny, no mavandy I. Fa lay raiky zay tsy mitia gny rahalahiny, zay jeriny, la tsy afaky gny hitia an'Andrianagnahary, zay tsy jeriny. 21Sady, zay avao koa ro didy zay anagnantsika avy aminy: Na ia na ia mitia an'Andrianagnahary no tsy maintsy mitia gny rahalahiny avao koa.
Chapter 5

1Na ia na ia mino fa i Jesosy no Kristy no naterak'Andrianagnahary, na ia na ia tia gny Ray avao koa no tia gny gnanany naterakiny. 2Noho zay ro ahaizantsika fa tiantsika reo gnanak'Andrianagnahary: lafa tia an'Andrianagnahary sy manatanteraky reo didy tsika. 3Fotony zay ro fitiava ho an'Andrianagnahary: No gny hanatanterahantsika reo didy. Sady reo didy la tsy mavesatsy.4Fa gny olo iaby zay naterak'Andrianagnahary no mandresy any zao tontolo zao. Sady zay no fandresea zay fa nandresy any zao tontolo zao: gny finoantsika. 5Ia lay raiky zay mandresy any zao tontolo zao? Lay raiky zay mino fa i Jesosy no gnanak'Andrianagnahary.6Zay no lay raiky avy taminy rano sy rà: Jesosy kristy. I no avy tsy taminy rano avao, fa taminy rano sy lio. 7Fa misy telo zay mijoro vavolombelo: 8gny Fanahy, gny rano, sady gny ra. Reo telo reo no mifagnaraky.[Fanamariha: Gny dikan-tsafa taloha sasany no mivavaky toy zao: ''Fa misy telo zay mijoro vavolombelo agny an-dagnitsy: gny Ray, sy gny Safa, sady gny Fanahy Masina; sady reo telo reo no raiky. Sady misy telo zay mijoro vavolombelo eto ambony gny tany: gny Fanahy, gny rano, sady gny ra; sady reo telo reo no toy gny raiky.'' Na zay aza, reo dikan-tsafa soa indrindra no tsy mivaky toy zay.]9Lafa mandray gny fijoroa vavolombelo gny olo tsika, no ho bevata kokoa gny fijoroa vavolombelon'Andrianagnahary. Fa gny fijoroa vavolombelon'Andrianagnahary no zao: I no mijoro vavolombelo mahakasiky gny Gnanakiny. 10Na ia na ia mino gny gnanak'Andrianagnahary sady mana fijoroa vavolombelo ao aminy zay vatany. Zay tsy mino an'Andrianagnahary no manao azy ho mpavandy, fotony I no tsy nino gny fijoroa vavolombelo zay fa nomen'Andrianagnahary mahakasiky gny Gnanany.11Sady gny fijoroa vavolombelo no zao: Andrianagnahary no nanome antsika fiaina mandrakizay, sady zay fiaina zay no ao amiy gny Gnanakiny. 12Lay raiky zay mana gny Gnanany no mana gny fiaina. Gny olo zay tsy mana gny Gnanak'Andrianagnahary no tsy mana fiaina.13Fa nanoratsy reto raha reto ho anareo zaho mba hahaizanareo fa mana gny fiaina mandrakizay anareo ho anareo zay mino gny agnarany gnanak'Andrianagnahary. 14Toy zay avao koa, zay ro fifanekeny zay anagnantsika eo anatsehany, fa na ino na ino angatahantsika araky gny sitrapony, la maheno antsika I. 15Toy zay avao koa, lafa haintsika fa maheno antsika I, na ino na ino angatahantsika zay iaby nangatahintsika taminy.16Lafa misy olo raiky mahajery gny rahalahiny manao fahota zay tsy miteraky fahafatesa, tsy maintsy mivavaky I, sady Andrianagnahary no hagnome fiaina ho azy. Zaho no mampitovy reo zay mana fahota tsy miteraky fahafatesa. Misy fahotana zay miteraky fahafatesa; tsy mivola zaho hoe tokony hivavaky amy gny izay I. 17Gny fahamarina iaby ro fahotana, nefa misy fahota tsy miteraky fahafatesa.18Haintsika fa na ia na ia naterak'Andrianagnahary no tsy manota. Nefa lay raiky zay naterak'Andrianagnahary la miaro gny vatany, sady gny raty no tsy afaky gny ahakasiky azy. 19Haintsika fa avy amin'Andrianagnahary tsika, sady zao tontolo zao no mipetraky ao amy gny raty.20Kanefa haintsika fa gny Gnanak'Andrianagnahary la fa avy fa nagnome antsika fahazavan-tsay mba hahaizantsika lay raiky zay tena marina. Toy zay avao koa, tsika no ao amy lay raiky zay marina, ao amy i Jesosy Kristy Gnanakiny. I ro Andrianagnahary marina no fiaina mandrakizay. 21Anaky, arovy amindreo sampy gny vatanareo.

2 John

Chapter 1

1Baka amy loholona katramin'ny ampela voafily sy gny gnanakiny, ze teako aminy fahamarina- tsy zaho avao, fa reo iaby ze nahay gny marina avao koa- 2noho gny fahamarina ze mipetraky agnatintsika ka hiaraky amintsika mandrakizay. 3Ho amintsika lehy gny fahasoava, gny famindram-po, gny fiadagna baka amin-Dragnahary Baba sy baka amign'i Jesosy Kristy, gnanaky gny Baba, aminy fahamarina sy fitiava.4Faly mare zaho fotony nahita gny sasany aminy gnanako reo madeha amy fahamarina, nanahaky gny nandrambesantsika anizay lily zay baka amy Baba. 5Ka mangataky aminao zaho, rampela- tsy manahaky gny manoratsy lily vaovao aminao zaho, fa ze nanagnantsika baka amy voloany- ro tokony hifankatiavantsika samy tsika.6 Zao ro fitiava, gny mba handehanantsika araky gny liliny. Zao ro lily, araky gny renao baka amy voalohany ro tokony handehana nareo aminy zay.7Fa maro mpamitaky reo fa roso amy zao tontolo zao agny, reo ro tsy magneky fa Jesosy Kristy ro avy tamy gny nofo. Zay ro mpamitaky sy antiKristy.8 Henteo gnainareo, mba tsy hahavery reo raha ze fa nivitantsika iaby, mba handraisanareo valim-pitia feno.9Ndra ia ndra ia mandeha aloha eo ka tsy mipetraky aminy fampianaran'i Kristy, tsy mana an-Dragnahary. Gnazy raiky ze mipetraky aminy fampianara, zay raiky zay ro mana gny Baba sy gny gnanaky.10 Laha misy olo avy aminao eo ka tsy manday azy an-tragnonao ao sady tsy manday any fampianara zay, ka manday azy an-tragnonao ao sady ka manao nahoa azy. 11Fa ze miarahaba azy ro miaraky amigny raty ataony.12mana raha maro ho sorata aminareo zaho, nefa zaho tsy magniry hanoratsy any taratasy zay sy ranomainty. Na zay aza, magnategna gny hoavy aminareo agny zaho sady hiresaky mivanta,mba ho tanteraky gny fifalianareo.13 Manao veloma andreo gnanakiny rahavavinao voafily.

3 John

Chapter 1

1Zaho loholona mamangy an'i Galo malala, teako amy fahamarigna. 2Ry malala, mivavaky ho anao zaho mba ho ambinin'gny raha iaby iha mba ho salama, manahaky gny hanambina gny famalianao.3 Nijaly tokoa zaho tamy gny fisia gny rahalay niavy sady nitsanga ho vavolombelo tamy gny fahamarinagnanao, nitory gny andehananao amy gny marina. 4Tsy mana hafalea bevata mitovy amy toy zaho, gny mahakasa fa mandeha amy gny fahamarigna gnanako reo5Ry malala, manao asa mahatoky iha ndre ino ndre ino asa ataonao ho andreo rahalahy voho reo vainy. 6Ze nijoro vavolombelo gny hateanao tamy agnivo gny fiangona. Soa gny ataonao laha alefanao mandeha araky gny fomba mendriky an-Dragnahary reo. 7Fotony noho gny Agnara ro nialany tsy nanday ndre ino ndre ino bakamindreo Jentilisa. 8Noho zay tsika, tokony handramby gny mitovy any zay, mba ho mpiara-miasa amy fahamarigna tsika.9Nanoratsy raha tamy gny fiangona zaho, kanefa Diotrefa, ze te ho lohany amindreo tsy handramby anay. 10Noho zay, lafa avy zaho ho tiiaronao reo asa ze nataony, gny raa nivolagniny mampasiaky manohitsy anay miaraky amy gny vava raty. Tsy afapo tamy asa reo, tsy nandramby gny rahalahy i. Nandrara andreo ze te hanao manahaky anizay i sady nandroaky azy reo hiboaky gny fiangona.11Ry malala, ka mangala tahaky ze raty fa ze soa. Fa gny raiky manao soa ro anDragnahary; gny raiky manao gny raty ro tsy ahita an-Dragnahary. 12Gny iaby sy gny fahamarigna ro vavolombelo nambara an'i Demetrio. Zahay koa ro mijoro vavolombelo sady hainao fa marina gny fagnambaranay.13Nana raha maro ho sorata aminareo zaho, fa tsy magniry hanoratsy aminareo amy gny penina voho ranomainty zaho.14 Kanefa zaho magnantegna gny hahita anareo tsy ho ela zaho, sady hiresaky mivanta tsika.15 Ho aminareo gny fiadagna. Manao veloma aminareo nama atoy. Veloma amindreo nama kiraidraiky araky gny agnarany iaby.

Jude

Chapter 1

1Joda,raiky amy mpanompon'i Jesosy Kristy,rahalahign'i Jakoba,ho andreo zay kehy hoe,malala ao amin-Dragnahary Baba,sy voa hajary ho agn'i Jesosy Kristy:2 Hampitomboy ho aminareo gny famindram-po sy gny fiadana ary gny fitiava.3Ry malala,laha igny nanao gny ezaky iaby hanoratsy ho anareo gny mahakasiky gny famonjea hitambarantsika igny zaho,ka gnanoratsy ho anareo zaho mba hanosiky anareo hialy mare ho agny finoa zay fa nomea indraiky ho anareo mpino. 4Fa ho agn'olo sasany nisisiky antsokosoko aminareo eo.Ireo olo voamariky ho agny gny fanameloha.Reo zay olo raty fanahy zay manevateva gny fahasoavan-Dragnahary ho agny amy fijejojejoa,sady mandà gny Andriana sy gny Tompo raikintsika,Jesosy Kristy.5Henaniky zao zaho te hampahatiaro anareo fa hainareo aza zay,fa gny Tompo,fa nagnanatsy gny olo baka amy gny tany Egypta ,fa tafarany zay narendriky iaby zay tsy nino.6 Reo anjely tsy nitanjaky gny fahefa zay napetraky tamigny,fa nanenga gny fipetrahandreo.Dragnahary mamehy andreo tamy gny fatotsy mandrakizay,ao amy maiziky tanteraky,ho amy andro fitsara bevata.7Manahaky agn'i Sodoma sy Gomora sy tanà manondidy azy reo,manolotry gny vatan-dreo ho amy gny fijangajanga sy gny fanaova filà tsy ara-boajanahary.Ka natao hoatry amy reo nazy mijaly amy fanasazia agny amy afo mandrakizay reo. 8Manahaky zay koa,reo mpanofinofy mandoto gny vatany dreo,ka mivola raha raty manohitry gny manam-boninahitry.9Fa na Mikaela arikanjely aza,lafa nialy tamy gny devoly sy nifamaly taminy gny amy gny fatin'i Mosesy,tsy nahasaky nisafa raty hanameloky azy.Fa hoy I:"Hagnanatry anao gny Tompo!" 10Fa reo olo reo mivola raty gny raha iaby tsy hainy.Ka zay haigny-manahaky gny fahahalala gny biby tsy manan-tsay,zay ro manimba andreo.11 Loza ho andreo!Fa laha nandeha ao amy gny tanan'i Kaina reo,ka gnanaraky gny fahadisoan'i Balama hahazoa tamby.Ka rendriky tao amy gny fikoamian'i Kora reo.12Reo nazy olo zay harambato mivony ao amy gny hanim-pitavanareo.Mihina am-pahamenara,mamoky gny vatan-dreo avao.Reo nazy raho tsy misy rano andesy gny tsioky.Hazo fararano tsy misy vihy,indroa maty,niala fototry. 13Reo nazy pahin-driaky mahery,mitopatopa mamorivory gny fahamenara ndreo.Vasia mivezivezy reo reny,ka voahajary ho azy mandrakizay gny fahamaintisa gny maiziky.14Fa reko,nazy faha fiton'i Adama,fa naminany momba anireo,nivola hoe:"Io! Ho avy gny Tompo miaraky amy reo masiny aman'alinali. 15Ho avy mba hanatanteraky gny fitsara gny olo iaby.Ho avy I hampiaky gny olo iaby raty fanahy tamy gny asa vitany tamy haratiam-panahiny,ary reo safa mahery iaby zay novolani gny olo raty fanahy hanohitry Azy." 16Reo nazy mpigonogono,sy mpimenimeni,zay manaraky gny fila raty ndreo.Reo nazy mpirengirengi fatatry,zay,noho gny tombontsoa ndreo manoka,ka mirengy gny hafa.17Fa nareo,ry malala,tiarovo reo safa zay nivolanin'i apostolin'I Jesosy Kristy Tompontsika taloha. 18Hoy reo tamy nareo:"Fa amy gny andro farany hisy mpanaraty zay hanaraky gny fila gny haratiam-panahiny." 19Reo olo reo mitariky fisara.Reo dia olo araky gny vata,fa tsy mana gny Fanahy.20Fa nareo,ry malala,miorea soa eo amy gny finoagnareo masina indrindra,ka mivavaha amy gny Fanahy Masina. 21Mipetraha nareo ao amy gny fitiavan-Dragnahary,ka embeno gny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika zay nanday anao ho amy gny fiaigna mandrakizay.22Mamindrà fo amy nareo zay misalasala. 23Vonjeo ka sariho hiala amy gny motsò ny olo sasany.ka gny sasany ndraiky amindrao fo amin-tahotry.Mankahalà na hatramy gny akanjo nolotoy gny vata aza.24Ka ho agny zay miaro anareo mba tsy ho lavo,ka ahavy anao hitsanga anatreha gny voninahiny,tsy misy tsiny ary am-pifalia bevata, 25amin-Draganhary toka Mpamonjintsika tamy gny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,gny voninanahitry,gny fahalebiazana,gny fahefa,gny hery taloha gny fotoa iaby,hegnaniky zao,ary mandrakizay.Amena

Revelation

Chapter 1

1Ty ro fagnambara an'i Jesosy Kristy ze namean-Dragnahary azy mba hampisehoa an'ny mpanompony reo gny raha tsy maintsy hiseho. Nampahafantary raha zay tamy alala gny fandefasany gny anjeliny ho an'i Jaona mpanompony. 2Jaona gnanamarina gny momba gny tenin-Dragnahary sy reo fijoroa vavolombelo mahakasiky an'i Jesosy Kristy, sy reo raha iaby hitany. 3Sambatsy I ze mamaky amy gny feo abo, I ze nijanjy gny teny faminania, sy ze mitandry ze voasoratsy aminy ao, satria fa mariniky gny fotoa.4Jaona nandeha amy reo fiangona fito ta Asia: Ho aminareo anie gny fahasoava voho gny fiadana baka amy lay henaniky zao, gny taloha, gny ho avy, baka amy reo fagnahy fito ze anatreha gny seza fiandrianany, 5sady koa baka amin'i Jesosy Kristy, ze vavolombelo marina, lahimatoa amy maty, sady lehibe gny mpanjaka gny tany. Ho agny nazy tia antsika sy nanafaky antsika tamy reo fahotantsika tamy gny liony_ 6nanao antsika ho fanjaka, mpisoro ho an-Dragnahariny sy Babany_Ho Azy anie gny voninahitsy sy gny fahefa mandrakizay doria. Amena.7Izao, baka amy raho I; ka gny maso iaby hahitaky Azy, ndre gnazy nandefo Azy aza. Gny firenena iaby agnambo gny tany hitagny Azy. Eka, Amena. 8"Zaho ro Alfa sy Omega," hoy gny Tompo Zagnahary, "gnazy henaniky zao, sy taloha, ary koa gny ho avy, de lay tsitoha." (Fagnamariha: gny dikan-teny hafa taloha mivaky manahaky anizao: "Zaho ro Alfa sy Omega, gny fiandoha voho fiafara," hoy gny Tompo Zagnahary.9Zaho, Jaona_rahalahinareo sy raiky ze niaraky nizara taminareo tagnaty gny fijalia sy fanjaka voho gny fahareta amy Jesosy Kristy_ tao amy gny nosy kahia hoe Patmo noho gny tenin-Dragnahary voho gny fijoroa vavolombelo gny mahakasiky an'i Jesosy. 10 Zaho nitarihin'gny Fagnahy tamy andro gny Tompo. Nahare feo mahery manahaky gny trompetra tafarako tao aho. 11Nanao hoe: "Sorato amy bokiko ze hitanao, ka alefaso amy reto fiangona fito reto_ho agn'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelhia, sy Laodikia."12Nijery gny magnodidy zaho nikara hoe feon'ia nivola tamiko zay, ka lafa nitoliky zaho nahita fanaovan-jiro volamena fito. 13Ka tagnivon'ny fanaovan-jiro nisy raiky manahaky gny gnanak'olo, nisiky siky lava hatran-tombokiny egny, fehin-kibo volamena magnodidy gny tratrany.14Gny lohany voho gny volony manahaky gny volon'osy_foty manahaky gny rano mandry, gny masony manahaky gny lela motro. 15Gny tombokiny mamiratsy manahaky gny varahy, manahaky gny varahy voadio tamy laforo, ka gny feony toy gny feo gny rano be mikoria. 16Gnana kinta fito tamy tagnany an-kavana I, sabatsy roa lela maragnitsy niboaky baka amy vavany. Gny tarehiny nazava manahaky gny masoandro lafa miredareda.17Lafa nahitaky Azy zaho, niankohoky tan-tombokiny manahaky gny olo maty. Nanendry ahy tamy tagnany ankavana I bakeo nivola hoe: "Ka matahotsy. Zaho ro voalohany sady farany, 18raiky ze velo. Fa maty zaho, fe intoy, velo mandrakizay! Zaho mana gny lakile gny fahafatesa voho gny Fiainan-tsy hita.19Noho zay sorato ze hitanao, ze henaniky zao, sy gny raha hiseho afaran'zao. 20Manahaky gny raha mivony mahakasiky reo kinta fito ze hitanao tamy tagna ankavanako, voho reo fanaovan-jiro volamena fito: "Gny kinta fito de reo anjely gny fiangona fito, ka gny fanaovan-jiro fito de reo fiangona fito."
Chapter 2

1Sorato ho agn'ny anjely gny fiangona ao amy Efesosy hoe: "Retoa gny safa baka amy gnazy raiky mitazo reo kinta fito amy tagnan-kavanany sady mandeha amy gny fanaovan-jiro volamena fito, 2"Haiko ze fa vitanao voho gny asa mafinao ary koa gny fiaretanao miharitsy. Haiko fa tsy afaky handefitsy amy gny olo raty iha. Haiko fa nitsinapanao reo gnazy mivola azy ho apostoly, nefa tsy I, ka hitanao reo fa sandoky.3Haiko fa magnan-pahareta iha, sady nijaly mare noho amy gny agnarako, ka tsy nilavo lefo iha. 4Nefa manohitsy anao zaho satria nanenga gny fitiavanao voalohany iha. 5 Tiarovo noho zay gny toera nahalavo anao. Mibebaha ka manova reo raha iaby nataonao voalohany. Fa laha tsy mibebaky iha, ho avy aminao zaho ka hangala gny fanaovan-jironao amy toera misy azy.6Kanefa zao gny raha ataonao: "Halanao gny raha vitan'i Nikolaita, ze halako avao koa. 7Aoka ze manan-tsofy hijanjy ze volagnin'ny Fagnahy ho agny fiangona reo. Ho any raiky ze mandresy homeko alala hihina gny baka amy hazo gny fiaigna, ze amy paradisan-Dragnahary ao.""'8Sorato ho an'ny anjely gny fiangona any Smyrna agny hoe: "Retoa gny safany gnazy raiky voalohany sady farany, raiky ze fa nimaty nefa velo ndraiky: 9"Haiko reo fahorianao voho gny fijalianao, nefa mpagnarivo iha. Haiko gny fivolagnan-draty ho agny gnazy mivola gnainy ho Jiosy, nefa tsy I. Synagogan'i Satana reo.10Ka mavozo amy ze fa hiaretanao. Izao! Gny devoly hagnatoraky gny sasany aminareo amy tragno maiky agny mba hitsapa anareo, ka hijaly agnaty gny folo andro nareo. Matokia mandra-pahafaty, ka homeako anareo gny satro-boninahitsy gny fiaina. 11Ze manan-tsofy aoka i hijanjy ze ambara gny fagnahy ho any fiangona reo. Raiky ze mandresy tsy ho simba gny fahafatesa faharoa.""'12Sorato ho agn'ny anjely gny fiangona a Pergamosy hoe: "Retoa safa gny raiky mana sabatsy roa lela: 13"Haiko ze hipetrahanao, ao amy hitoera gny seza fiandrianan'i Satana. Ka henaniky zao mita mare gny agnarako iha. Haiko fa tsy nanda gny finoanao gny amiko iha, ndre tamy andron'i Antipasy vavolombeloko aza, ze nahatoky Ahy, novonoa taminareo teo, tao amy fipetraha gny Satana.14Fa manan-dresaky kelikely aminao zaho: "Misy gny sasany aminareo mita mare gny fampianara gny Balama, ze nampianatsy an'i Balaka hametraky fanafintohina eo anatreha gny gnanak'Israely, mba hihinagnan-dreo gny hany natao soro ho agn'ny sampo voho fijangajanga. 15Manahaky anizao avao koa, misy gny sasany aminareo ze mita mare gny fampianara gny reo Nikolaita.16Mibebaha, noho zay! Fa laha tsy zay, ho avy malaky aminareo Zaho, ka hifanandry amin-dreo zaho miaraky amy sabatry gny vavako. 17Aoka ze manan-tsofy hijanjy ze ambara gny fagnahy ho agny fiangona reo. Ho anizay mandresy, homeako amy reo sasany magna mivony, sady homeako vato foty miaraky amy gny agnaram-baovao voasoratsy amy gny vato, agnara ze tsy haign'ny olo afa-tsy ze mandramby azy avao.""'18Sorato ho agn'ny anjely gny fiangona a Tyatira hoe: 'Retoa safa gny gnanakin-Dragnahary, ze mana maso manahaky gny lela motro sy tomboky manahaky gny varahy mamiratsy: 19"Haiko gny vitanao: Gny fitiavanao voho gny finoanao ary koa gny fanompoanao sy gny faharetanao. Haiko fa ze vitanao farany bevata noho gny vitanao voalohany.20Kanefa zao ro hagnoherako anao: Leferinao gnazy ampela Zezebela, ze manao gnainy ho mpaminany vavy. Amy alala gny fampianarany mamitaky gny mpanompoko I mba hijangajanga sy hihina hany atao soro ho an'ny sampo. 21Nagnome fotoa mba hibebahany Zaho, kanefa tsy nahefa nibebaky gny amy fijangajanga I.22Izao! Hataoko marary ampandria eo I, ka reo mijangajanga miaraky aminy hampahoriako mare, laha tsy mibebaky amy asa raty gny ampela igny reo. 23Ho vonoko ho maty gnanakiny reo, ka gny fiangona iaby hahay fa Zaho gnazy mahita gny fieritsereta voho fihetsem-po. Homeko araky gny asanareo nareo tsirairaiky.24Fa gny aminareo ze sisa tavela a Tyatira ao, ze iaby tsy mitazo zao fampianara zao, sy tsy mahay gnazy kahia gny sasany hoe sain-dalin'i Satana- Zao gny ambarako anareo hoe: "Tsy vesariko enta hafa nareo." 25Ndra zay aza, tsy maintsy mitazo mare gny finoanareo nareo mandra-pihaviako.26Raiky ze maharesy sy manao ze fa vitako hatramy farany, homeako azy gny fahefa amy firenena iaby. 27'Hagnapaky amin-dreo eo miaraky amy tehim-by I, manahaky gny fanorotoroa valagny tany ro hanapoteha an-dreo.' 28'Manahaky gny nandrambesako baka amy Babako, ro hagnomezako azy kinta maraindray koa. 29Aoka gnazy raiky manan-tsofy hijanjy ze ambara gny fagnahy ho agn'ny fiangona reo.""'
Chapter 3

1Sorato ho agn'ny anjely a Sardisy hoe: 'Zao ro safa gny gnazy mitazo reo fagnahy fiton-Dragnahary voho reo kinta fito. "Haiko gny nataonao. Malaza ho velo iha, nefa iha maty. 2Mifohaza ka hatanjaho ze tavela, fa fa ho maty, satria tsy hitako tanteraky reo asanao imason-Dragnahariko eo.3Tadidio, noho zay,ze nirambesy nareo sy nirenareo. Ankatoavo zay, ka mibebaha. Fa laha tsy mifoha nareo, ho avy manahaky gny mpangalatsy Zaho, ka tsy ho hainareo gny lera hiaviako aminareo. 4Fa misy agnara gn'olo vitsivitsy a Sardisy agny ze tsy nandoto gny sikin-dreo. Handeha hiaraky amiko reo, misiky siky foty, satria mendriky.5Gnazy raiky mandresy hampisikina siky foty, ka tsy hamafa gny agnarany amy Boky gny Fiaigna mihintsy Zaho, sady hanambara gny agnarany anatrehan-Dragnahary voho anatreha gny anjeliny reo. 6Aoka ze manan-tsofy hijanjy ze hambara gny Fagnahy amy reo fiangona.""'7"Sorato ho agn'ny fiangona a Filadelfia hoe: 'Zao safa gny gnazy masy sy marina_ I ro mitazo gny lakilen'i Davida, I ro mamoha ka tsy misy ndra ia ndra ia magnily, I ro magnily ka tsy misy ndra ia ndra ia afaky mamoha. 8Haiko gny vitanareo. Izao, nametrahako varavara mivoha aloha nareo eo ze tsy afaky hilia n'iza n'iza. Haiko fa magna hery kelikely nareo, ka nankato gny safako sady tsy nanda gny agnarako.9Izao! Reo ze agn'ny synagoga gny Satana, reo mivola fa Jiosy nefa tsy I iaby, mavandy reo. Hataoko avy ka hiankohoky an-tombokinao eo reo, ka ho avy reo mba hahafantatry fa nitia anao Zaho. 10Satria fa nitandry gny didiko tamy fahareta nareo, hiaro anareo amy andro fitsapa ze fa ho avy amy zao tontolo iaby zao koa Zaho, mba hitsapa reo ze miay agnabo gny tany eto. 11Ho avy tsy ho ela Zaho. Tano mare ze hanananao mba tsy hisy afaky hangala gny satro-boninahitsy nao.12Ataoko andry amy tempolin-Dragnahariko ze mandresy, ka tsy hiala eo mihitsy I. Ho soratiko aminy eo gny agnaran-Dragnahariko, agnara gny tanan-Dragnahariko (Jerosalema vaovao, ze mijotso baka an-danitsy agny baka amin-Dragnahariko), voho gny agnarako vaovao. 13Aoka ze manan-tsofy hijanjy ze ambara gny fagnahy amy fiangona reo.""'14Sorato ho agn'ny anjely gny fiangona a Laodikia hoe: "Zao ro safagn'i Amena, lay vavolombelo mahatoky sy marina, gnazy mpanapaky gny zava-boary Ndragnahary. 15"Haiko ze nataonareo, tsy magnintsy na mafana nareo. Magniry Zaho mba manintsy na koa mafana nareo! 16Noho zay, satria nareo matimaty_ sady tsy mafana ro tsy manintsy_fa haloa gny vavako nareo.17Fe hoy nareo hoe: 'Manan-karea zaho, mana fitaova maro, ka tsy mila ndra ino ndra ino. 'Nefa tsy hainareo fa nareo ro tena ory, mampahonena, mijaly, goa sady tsy misiky. 18Janjigno gny torohevitsiko: Mivanga volamena voalio tamy motro amiko mba ho lasa mpagnarivo nareo, siky foty manjopiaky mba ho afaky mampisiky gnainareo nareo ka tsy hampiseho gny henatsy gny fitanjahanareo, sady hagnosotry gny masonareo mba hahiratanareo.19Hampiofaniko gny tsirairaiky iaby ze tiako, ka hampianariko an-dreo gny fomba tokony hiaignan-dreo. Noho zay, mazotoa sady mibebaha.20 Izao, mitsanga amy varavara eto Zaho ka mipaipaiky. Laha misy mahare gny feoko ka mamoha gny varavara, ho avy an-tragnony agny Zaho ka hihina miaraky aminy, ka I miaraky amiko.21Raiky ze mandresy, hatolotroko azy gny zo hipetsaky miaraky amiko amy seza fiandrihanako, manahaky gny nandreseako koa ka nipetsahako niaraky tamy Babako tamy seza fiandrihanany. 22Aoka ze manan-tsofy hijanjy ze ambara gny fagnahy amy fiangona reo.""'
Chapter 4

1Tafara gny raha zay nanenty zaho, ka nahitaky varavara raiky nisokatsy tamy lagnitsy tegny. Gny feo voalohany nireko niresaky tamiko manahaky gny trompetra, nanao hoe: "Miakara etoy, ka hatoroko anao gny raha tsy maintsy hiseho afara gny raha reo." 2Nisy fotoa zaho voatariky gny fagnahy, ka nahita fa gny seza fiandrihanany nipetsaky tamy lagnitsy tegny, nisy olo nipetsaky tagnabonizay. 3Gny raiky nipetsaky tagnabony teo miendriky manahaky gny jaspa sy karneola. Nisy avana nagnodidy gny seza fiandrihana. Avana miendriky manahaky gny emeraoda.4Nisy seza fiandrihana efatsy amby roapolo nagnodidy gny seza fiandrihana, ka loholo efatry amby roapolo ro nipetsaky tagnabo gny reo seza fiandrihana reo, nisiky siky foty, niaraky tamy satro-boninahitsy volamena tamy lohan-dreo. 5Nisy tselatsy pahazava baka amy lay seza fiandrihana, kotroky, sy kotro-baratsy. Nisy jiro fito nirehitsy taloha gny seza fiandrihana, jiro ze fagnahy fiton-Dragnahary.6Taloha gny seza fiandrihana teo nisy ranomasy fitaratsy, manahaky gny kristaly. Reo raha magna'nay efatsy tagnivo gny seza fiiandrihana sy nagnodidy anizay, feno maso, talohany teo sy tan-dambosiny tao.7Gny raha magna nay voalohany manahaky gny liona, gny raha magna nay faharoa manahaky gny gnanak'omby, gny raha magna nay fahatelo miendriky olo, ka gny raha magna nay faha efatsy manahaky gny voro-mahery mitily. 8Reo raha magna nay efatsy samby magnan'elatsy enina iaby, feno maso gny ambony voho gny ambany. Andro sy haliky reo tsy mitsahatsy mivola hoe: "Masina, masina, masina gny Tompo Zagnahary Tsitoha ze nisy, sy misy, sady mbo ho avy."9Ndra ombia ndra ombia reo raha magna nay hanome voninahitsy, laza, sy fisaora agny lay Baba ze mipetsaky amy seza fiandrihanany, Baba ze velo mandrakizay doria, 10reo loholo efatsy amby roapolo nampiankohoky gnain-dreo tanoloha gny Ray mipetraky amy seza fiandrihanany. Miankohoky amy lay Baba ze velo mandrakizay doria reo, ka nagnatoraky gny satro-boninahitsy ndreo taloha gny seza fiandrihana teo, nivola hoe: 11"Mendriky iha, ry Tomponay sy Zagnaharinay, handramby gny voninahitsy sy gny laza voho gny hery. Fa iha ro namoro gny raha iaby, tamy alala gny sitraponao, ro nampisy any raha reo ka noharia."
Chapter 5

1Ka nahita gny tagnan-kavana gny Ray ze nipetsaky tamy seza fiandrihana zaho, horognan-taratasy voasoratsy aloha sy afara. Ka nofehezy tamy tombo-kase fito. 2Nahitaky anjely mahery nagnambara tamy feo mare zaho, nivola hoe: "Ia ro mendriky hanokatsy gny horognan-taratasy sady hamoha gny tombo-kasen'izay?"3Tsy misy olo baka an-dagnitsy na an-tany na ambany gny tany ka afaky hanokatsy gny horognan-taratasy na hamaky anizay. 4Nitagny mare zaho satria tsy nisy olo hita ho mendriky hanokatsy gny horognan-taratasy na hamaky azy. 5Kanefa gny raiky tamy loholo nivola tamiko hoe: "Ka mitagny. Izao! Lay lio gny fokon'i Joda, solofon'i Davida, nandresy. Afaky gny hanokatsy gny horognan-taratasy voho tombo-kase fito reo I.6Nahitaky gnanak'osy mitsanga tagnelanela gny seza fiandrihana sy reo raha magna nay efatsy ka agnivo gny loholo reo zaho. Manahaky gny hoe olo nivonoa I. Nagna tandroky fito voho maso fito I; reo ro fagnahy fiton-Dragnahary nalefa nanera gny tany. 7Nandeha I ka nangala gny horognan-taratasy tamy tagnan-kavana gny raiky ze nipetsaky tamy seza fiandrihana.8Lafa nirambesy gny gnanak'osy gny horognan-taratasy, reo raha magna nay efatsy voho loholo efatsy amby roapolo nampiankohoky gny nain-dreo talohany teo. Samby magna lokanga voho finga volamena feno emboky manitsy aby gny tsirairaiky tamin-dreo, vavaky gny mpino reo.9Nihira hira vaovao reo: "Mendriky gny handramby gny horognan-taratasy iha sady hanokatsy gny tombo-kasen'izay. Fa iha novonoa, tamy gny lionao ro niviliagna olon-Dragnahary reo baka amy gny foko, fivolagna, olo, voho gny firenena iaby. 10Nataonao fanjaka sy mpisoro reo mba hanompo an-Dragnahary, ka hanjaka an-tany etoa."11Bakeo zaho nahitaky sady nahare feo gny anjely maro nagnodidy gny seza fiandrihana sy reo raha magna nay voho reo loholo. Gny fitambaran-dreo maro aman'aly. 12Nivola tamy feo mare reo hoe: "Mendriky anie gny gnanak'osy ze nivonoa mba handramby gny fahefa, harea, fahendrea, hery, laza, vononahitsy voho gny dera."13Nahare gny raha iaby voaforo tan-danitsy voho tan-tany ary an-driaky zaho_ gny raha iaby tagnatin'ireo nivola hoe: "Ho agny raiky ze mipetsaky amy seza fiandrihana sy ho agny Gnanak'Ondry, anie gny dera, gny laza, gny voninahitsy sy gny fahefa handidy, mandrakizay doria." 14Reo raha magna nay efatsy, nivola hoe: "Amena!" Ka gny loholo niankohoky sy nivavaky. [Fagnamariha: Gny sasany amy reo dikan-teny taloha mivaky hoe: "Loholo roa amby efapolo niankohoky voho nanompo gny raiky ze velo mandrakizay doria."]
Chapter 6

1Lafa nagnokatsy gny raiky tamy tombo-kase fito gny Gnanak'Ondry laha nanenty zaho, ka nahare gny raiky tamy reo raha magna nay efatsy tamy feo manahaky gny kotroky zaho ka nivola hoe: "Avia! 2Nanenty zaho ka nisy sovaly foty teo. Gny mpandeha nitazo gny tsipiky, ka namea satro-boninahitsy I. Niboaky manahaky gny mpandresy I mba handresy.3Lafa nagnokatsy gny tombo-kase faharoa gny Gnanak'Ondry, nahare gny raha-magna nay faharoa zaho nivola hoe: "Avia! 4Nisy sovaly hafa niboaky_mirehitsy mena. Gny mpandeha namea alala hangalaky gny fiadana amy tany, mba hifamono gny olony. Io mpandeha io namea sabatsy bevata.5Lafa nagnokatsy gny tombo-kase fahatelo gny Gnanak'ondry, nahare gny raha magna nay fahatelo zaho nivola hoe: "Avia!" Nahitaky sovaly mainty zaho, ka gny mpandeha taminy nitazo mizana tan-tagnany. 6Nahare manahaky gny feo tamy raha magna nay efatsy zaho nivola hoe: "Gny vary eraky gny fatram-bary ho agny denaria raiky, ka gny hordea in-telo gny fatram-bary ho agny denaria raiky. Fa ka manimba gny menaky voho gny divay."7Laha magnokatsy gny tombo-kase faha efatsy gny gnanak'osy, nahare gny feo gny raha magna nay faha efatsy zaho nivola hoe: "Avia! 8Nahitaky sovaly hatsatsy zaho. Gny mpandeha nikahia hoe Fahafatesa, gny fasa nagnaraky azy. Namea fahefa amy ampaha efatsy gny tany reo, mba hamono amy gny sabatsy, hamosary voho gny arety, sy gny amy reo biby lian'gny tany.9Lafa nagnokatsy gny tombo-kase fahadimy gny Gnanak'osy, hitako tambany alitara reo fagnahy gny reo nivonoa noho gny tenin-Dragnahary voho gny fijoroa vavolombelo notagnan-dreo. 10Nikiaky tamy feo mare reo hoe: "Mandrapa-ombia, ry Mpanapaky ambony gny raha iaby, masina sady marina, ro hitsaranao reo ze miay an-tany eto, sy hamalianao faty gny lionay? 11Namea siky lava gny tsiraikiraiky aby tamin-dreo, nivolagny reo fa tokony hiamby kelikely mandra-pahazoa gny isaky feno gny reo mpiara-manompo dreo sy reo rahalahy sy anabavin-dreo ze tokony ho vonoa, manahaky gny namonoa an-dreo.12Lafa nagnokatsy gny tombo-kase faha enina gny gnanak'osy, nanenty zaho ka nisy horohoron-tany bevata. Lasa mainty manahaky gny siky fisaona gny masoandro, gny vola fenomana lasa manahaky gny lio. 13Reo kinta tamy lagnitsy teny nilatsaky tan-tany ety, manahaky gny aviavy manintsa gny vihiny manta lafa ahetsiky gny tsioky mahery. 14Gny lagnitsy nanjavo manahaky gny horonan-taratasy ze nahorongoro. Gny tendrombohitsy voho gny nosy iaby nala tamy gny toerany.15Bakeo reo mpanjaka gny tany voho gny olo manan-danja, reo jeneraly, gny mpagnarivo, gny mahery, sy gny raha hafa iaby, andevo sy afaky, nivony tagnaty gny lava-bato voho tamy reo vatolampy gny tendrombohitsy. 16Nivola tamy reo tendrombohitsy voho vatolampy reo hoe: "Milavoa aminay! Avonio amy tarehy gny raiky ze mipetsaky amy seza fiandrihana sy amy siaky gny Gnanak'osy zahay. 17Fa avy gny andro bevata gny siakin-dreo. Ia ro hahavita hiaritsy?"
Chapter 7

1Tafara gny zay nahitaky anjely efatsy nitsanga tamy zoro tany efatsy zaho, nanohitsy mare gny tsioky efatsy gny tany, mba hisy tsioky amy gny tany, amy gny riaky, na hifanohitsy amy hazo iaby. 2Nahitaky anjely hafa zaho niakatsy baka antinana any, ze nagna gny tombo-kase Dragnahary velo. Nikiaky tamy feo mare tamy gny anjely efatsy ze nahazo alala hanimba gny tany voho gny riaky i hoe: 3"Ka simba gny tany, gny riaky, na reo hazo mandra-panisiantsika gny tombo-kase amy handry gny reo mpanompo Dragnaharitsika."4Nahare isaky gny reo ze voatombo-kase zaho: 144, 000, ro voatombo-kase baka amy gny fokon'Israely iaby: 5Roa arivo sy ray aly ro voatombo-kase baka amy fokon'i Joda, roa arivo sy ray aly baka amy fokon'i Robena, roa arivo sy ray aly baka amy fokon'i Gada, 6 roa arivo sy ray aly baka amy fokon'i Asera, roa arivo sy ray aly baka amy fokon'i Naftaly, roa arivo sy ray aly baka amy fokon'i Manase.7roa arivo sy ray aly baka amy fokon'i Simeona, roa arivo sy ray aly baka amy fokon'i Levy, roa arivo sy ray aly baka amy fokon'i Isakara, 8roa arivo sy ray aly tamy fokon'i Zebolona, roa arivo sy ray aly tamy fokon'i Josefa, roa arivo sy ray aly tamy fokon'i Benjamina ro voatombo-kase.9Tafara gny raha iaby reo nanenty zaho, ka nisy olo maro be tsy voahisaky_baka amy firenena, foko, olo, sy fivolagna iaby_nitsanga taloha gny seza fiandrihana voho taloha gny Gnanak'osy. Nanao siky lava foty voho mitazo sampan-drofia tamy tagnan-dreo, 10ka nikaiky tamy feo mahery reo nanao hoe: "Gny famonjea gnany Zagnaharintsika ze mipetsaky agnabo gny seza fiandrihana, voho gnany Gnanak'osy!"11Gny anjely iaby nitsanga nagnodidy gny seza fiandrihana voho nagnodidy reo loholo sy gny raha magna nay efatsy, ka reo nampiankohoky gny tarehin-dreo tanoloa gny seza fiandrihana. Nivavaky tamin-Dragnahary reo 12nanao hoe: "Amena! Dera, voninahitsy, fahendrea, fisaora, fahefa, voho gny hery anie ho an-Dragnaharintsika mandrakizay doria! Amena!"13Bakeo gny raiky tamy reo loholo nagnontany ahy hoe: "Ia reo, misiky siky lava foty, bakaia reo?"14 Hoy zaho taminy: "Tompoko, Iha ro mahafantatsy," ka hoy i tamiko: "Reo ro hiboaky baka amy fahoria bevata. Nisasan-dreo gny siky lavany ka nifotiany tamy lio gny Gnanak'osy.15Noho antony zay, anoloa gny seza fiandrihanan-Dragnahary reo, sady mivavaky andro sy haliky amy tempoliny. Gny raiky ze nipetsaky tamy seza fiandrihana hamelatsy gny lainy amin-dreo. 16Tsy ho mosare sasy reo, na hangetaheta ndraiky. Tsy hamely an-dreo gny masoandro, na gny hafana mandoro. 17Fa gny Gnanak'osy agnivo gny seza fiandrihana ro ho mpiamby sy hitari-dala an-dreo amy gny loharano velo, sady hofafan-Dragnahary gny ranomaso iaby amy mason-dreo."
Chapter 8

1Lafa nivaha gny Gnanak'osy gny tombo-kase fahafito, nisy fahangina tan-danitsy tany teo amy antsasa-dera teo. 2Bakeo hitako reo anjely fito nitsanga tanoloan-Dragnahary, ka nomea trompetra fito reo.3Nisy anjely hafa niavy, nitazo finga volamena fandoroa ditin-kazo manitsy, nitsanga tagnabo gny alitara. Ditin-kazo manitsy maro ro namea azy mba hanolorany anizay miaraky amy vavaky gny mpino iaby agnabo gny alitara volamena fandoroa ditin-kazo manitsy anoloa gny sezam-boninahitsy. 4Gny setroky gny ditin-kazo manitsy, miaraky amy vavaky gny mpino, niakatsy tanoloan-Dragnahary baka amy tagna gny anjely. 5Nangalaky finga fandoroa ditin-kazo manitsy gny anjely ka nameno anizay tamy motro baka amy gny alitara. Bakeo natorakiny tamy tany, ka nisy kotro-baratsy, kotroky, tselatry, voho horohoron-tany.6Reo anjely fito ze nagna reo trompetra fito nioma hitsoky anizay. 7Nitsoky gny trompetrany gny anjely voalohany, nisy gny havandra voho motro mifangaro lio. Natoraky tan-tany tetoy mba ho may gny ampahatelon'izay, may gny ampahatelo gny hazo, voho gny ahi-maitso. (Fagnamariha: Gny sasany amy reo dikan-teny taloha manala gny hoe: "mba ho may gny ampahatelon'izay.")8Nitsoky gny trompetrany gny anjely faharoa, ka nisy raha manahaky gny tendrombohitsy bevata nirehitsy motro natoraky tan-driaky teny. Nivadiky lio gny ampahatelo gny riaky, 9maty gny ampahatelo gny raha magna nay tan-driaky teny, ka rava gny ampahatelo gny sambo.10Nitsoky trompetrany gny anjely fahatelo, ka nisy kinta bevata nilatsaky baka an-dagnitsy, mirehitsy manahaky gny fanilo, tamy ampahatelo gny ony voho gny loharano. 11Raha mafaitsy gny agnaran'io kinta io. Nanjary nafaitsy gny ampahatelo gny rano, ka maro gny olo maty tamy rano nanjary nafaitsy.12Nitsoky gny trompetrany gny anjely faha efatsy, niova ampahatelo gny masoandro, manahaky ampahatelo gny vola voho ampahatelo gny kinta. Noho zay nanjary mainty gny ampahatelon'ireo; tsy misy hazava ampahatelo gny andro voho ampahatelo gny haliky.13Nanenty zaho, ka nahare voro-mahery ze nijotso tagnivo gny lagnitsy tegny, nikaiky tamy feo mare hoe: "Loza, loza, loza, ho agny reo ze mipetsaky an-tany egny, noho gny feo gny trompetra sisa ze fa ho tsofy gny anjely telo."
Chapter 9

1Nampagneno trompetrany gny anjely fahadimy. Nahitaky kinta baka an-danitsy any zaho ka nilavo tamy tany tegny. Kinta igny ro namea lakile gny lavaky tsy hita noanoa. 2 Nisokafiny lavaky tsy hita noanoa igny, ka niakatsy gny setroky niboaky tamy lavaky manahaky setroky baka amy lafaoro bevata regny. Nivaliky maloky gny masoandro voho gny tsioky noho gny setroky niboaky tan-davaky tao.3Baka amy setroky ro niavian'ireo valala tambony tany teto, ka namea hery manahaky gny maingoky tambony tany reo. 4Nivolagny reo tsy hanimba gny ahitsy tambogny tany eto na reo raha mitiry maitso na hazo, fa reo olo ze tsy mana tombo-kase Dragnahary amy gny handry dreo avao.5Tsy nahazo alala gny hamonoa reo olo reo reo, hampijaly an-dreo mandritsy gny dimy vola avao. Gny fanaitainan-dreo manahaky gny nitsobohy gny maingoky lafa magnisy olo.6Amy andro reo hitady fahafatesa gny olo, fe tsy hahitaky anizay. Hagniry gny ho maty reo, nefa handositsy an-dreo gny fahafatesa.7Manahaky gny soavaly nomagny tamy ady reo gny valala. Tamy lohan-dreo nisy raha manahaky gny satro-boninahitsy volamena, ka gny tarehin-dreo manahaky gny tarehin'olombelo. 8Nagna volo manahaky gny volon'ampela reo, ka gny hin-dreo manahaky gny hy gny liona. 9Nagna fiarovan-tratra manahaky gny fiarovan-tratra vy reo, ka feo gny elatrin-dreo manahaky feon-kalesy voho sovaly maro mihazakazaky ho amy gny aly.10Nagna rambo nisy fagnindroma manahaky gny maingoky reo; amy rambo dreo ro misy gny hery hanimba gny olo mandritsy gny dimy vola. 11Nagna mpanjaka reo gnazy anjely gny lavaky tsy hita noanoa. Gny agnarany tamy teny Hebreo kahia hoe Abadona, ka gny agnarany tamy teny Grika kahia hoe Apolyona.12 Roso gny loza voalohany. Izao! afaran'izao mbo hisy loza roa ho avy.13Nampagneno trompetrany gny anjely fahenina, nahare gny feo niboaky tamy tandroky gny alitara volamena ze fa nisy tanatrehan-Dragnahary zaho. 14Ka nivola tamy anjely fahenina tamy feo manao hoe: "Abotoro gny anjely efatsy ze mifatotsy amy gny renirano lehibe gny Eofrata." 15Reo anjely efatsy ze nomagny tamy zay lera zay, zay andro zay, zay vola zay, zay tao zay, navotsotry mba hamono gny ampahatelo gny olombelo.16Gny isaky gny reo mpandeha an-tsovaly 200, 000, 000. Nahare reo isaky reo zaho. 17Manahaky anizay gny fomba nahitako any sovaly reo tamy gny fahitako voho gny mpandeha tamin-dreo: Reo fiarovan-tratra dreo nirehitsy mena, manga antitsy voho solifara mavo. Nanahaky amy reo loha gny liona gny lohany sovaly reo, ka gny niboaky baka amy vavan-dreo motro, setroky, voho solifara.18Ka ampahatelo gny reo olo reo maty noho gny loza telo: gny motro, gny setroky, voho gny solifara ze niboaky baka amy vavan-dreo. 19Fa gny hery gny sovaly reo baka amy vavan-dreo voho gny rambon-dreo_fe gny rambon-dreo manahaky gny bibilava, nagna loha afaky nandratsy olo reo.20Gny ambin'olombelo, reo ze tsy maty gny loza, tsy nibebaky tamy gny asa ze vitan-dreo, na nijano nanompo reo devoly voho gny sampo volamena, volafoty, varahy, vato, sy gny hazo reo raha tsy hita maso, re, na mandeha. 21Reo mbo tsy nibebaky tamy asa famonoa, gny famosavian-dreo, gny fijangajanga na reo asa fangalaran-dreo.
Chapter 10

1Bakeo zaho nahitaky anjely mahery hafa nijotso baka an-dagnitsy agny. Tagnaty raho I, ka nisy avana tagnabo gny lohany teo. Gny tarehiny miendriky masoandro ka gny tombokiny manahaky gny andry motro. 2Mitazo gny horognan-taratasy kely mivelatsy amy tanany I, sady mametsaky gny tombokiny havana amy riaky voho gny tombokiny havia amy tany.3Bakeo I nikiaky tamy feo mare manahaky gny fitre gny liona. Lafa nikiaky I, nikotroky mare tamy feony gny kotroky fito. 4Lafa nikotroky gny kotroky fito, tan-dala mpagnorata zaho, nahare feo baka an-dagnitsy agny zaho nivola hoe: "Tagno ho tsiambaratelo ze nambara gny kotroky fito. Ka soraty zay."5Bakeo anjely igny hitako nitsanga tagnabo gny riaky voho tamy tany, nanandratsy gny tagnany havana tan-dagnitsy.6 I nianiana tamy gny Ray ze velo mandrakizay doria, ze namoro gny lagnitsy voho gny raha iaby agnatin'izay, gny tany voho gny raha iaby agnatin'izay, gny riaky voho gny raha iaby agnatin'izay, ka anjely igny nivola hoe: "Tsy hisy sasy gny fiambena. 7Fa amy gny andro raiky lafa hampagneno gny trompetrany gny anjely fahafito, ho tanteraky gny misterin-Dragnahary, manahaky gny nambarany tamy mpaminany mpanompony reo."8Gny feo nireko baka an-dagnitsy nivola tamiko draiky hoe: "Mandehana, alao horognan-taratasy mivelatsy igny an-tagna gny anjely mitsanga agnabo gny riaky voho agnabo gny tany." 9Bakeo roso nandeha tamy gny anjely zaho ka nivola taminy mba hanome ahy gny horognan-taratasy kely. Hoy i tamiko: "Rambeso gny horognan-taratasy ka hano. Hampafaitsy gny an-trokinao, fe am-bavanao ho mamy manahaky gny tantely."10Nalako tan-tagnany anjely horognan-taratasy kely igny bakeo nihaniko. Mamy manahaky gny tantely tan-bavako tao, fe tafara gny nihinanako azy, lasa nafaitsy gny tan-trokiko tao. 11Bakeo nisy olo raiky nivola tamiko hoe: "Tsy maintsy maminany draiky iha momba gny olo maro reo, reo firenena, reo fivolagna, voho reo mpanjaka."
Chapter 11

1Namea volotara manahaky gny tehy zaho mba hampiasay. Nivolagny tamiko hoe: "Mitsangana ka refeso gny tempolin-Dragnahary voho gny alitara, sy reo ze mivavaky ao. 2Fe ka refesy gny kianja amonto gny tempoly, fa namea any Jentilisa reo raha zay. Hagnitsaky gny tana masy mandritsy gny roa amby efapolo vola reo.3Hameako reo vavolombeloko roa gny fahefa haminany mandritsy gny 1, 260 andro, nisiky siky fisaona." 4 Reo vavolombelo reo hazo gny oliva roa voho gny fasian-jiro roa ze nitsanga tanatreha gny Tompon-tany. 5Laha misy olo misafily handratsy an-dreo, miboaky motro gny vavan-dreo ka hihina reo fahavalon-dreo. Ndra ia ndra ia magniry gny handratsy an-dreo tsy maintsy hovonoa amy zay fomba zay.6Reo vavolombelo reo magna fahefa hanily gny lagnitsy mba tsy hilatsaha gny ora mandritsy gny andro haminanian-dreo. Magnan-pahefa reo hamaliky gny rano ho lio voho hagnisy gny tany amy karazan-doza iaby ndra ombia ndra ombia hagnirian-dreo anizay. 7Lafa ho vita gny fijoroan-dreo vavolombelo, miakatsy baka agnaty lavaky tsy hita noanoa bibilia hialy hagnohitsy an-dreo. Handresy an-dreo I sady hamono an-dreo.8Hiampatsy amy lala gny tana bevata gny fatin-dreo (ze kahia avao koa hoe Sodoma voho Egypta) ze namantsiha gny Tompon-dreo. 9Hanenty gny fatin-dreo mandritsy gny telo andro voho tapany gny olo, gny foko, gny fivolagna, sy gny firenena iaby. Tsy hambelan-dreo apetraky an-pasa reo10Reo ze miay agnabo gny tany hifaly amin-dreo sady hankalaza. Hifandefa fagnomeza mihitsy aza reo satria nampijaly reo ze miay agnabo gny tany reo mpaminany roa reo. 11Afaky telo andro voho tapany hilitsy amin-dreo gny fofon'ay baka amin-Dragnahary, ka hijoro amy tombokiny reo. Hilatsaky amin-dreo ze mahitaky azy gny tahotsy bevata. 12Bakeo hahare feo mahery baka an-dagnitsy reo mivola an-dreo hoe: "Miakara etoa!" Bakeo hiakatsy an-dagnitsy agnaty raho reo, laha mbo manenty tany reo fahavalon-dreo.13Amizay lera zay hisy horohoron-tany mare, ka hirodaky gny ampahafolo gny tana. Fito arivo gny olo ho maty amy horohoron-tany io, ka ho raiki-tahotsy reo olo sisa tavela tsy maty ka hanome voninahitsy an-Dragnahary gny lagnitsy. 14Roso gny loza faharoa. Izao! avy malaky gny loza fahatelo.15Bakeo nampagneno gny trompetrany gny anjely fahafito, ka nisy feo mare nivola tan-dagnitsy tany nanao hoe: "Ho lasa fanjakan'gny Tompontsika voho gny Kristiny gny fanjakan'izao tontolo zao. I ro hanjaka mandrakizay doria."16Bakeo reo loholo efatsy amby roapolo ze nipetraky tamy seza fiandrihanan-dreo tanatrehan-Dragnahary teo nampiankohoky gny nain-dreo. Nankalaza an-Dragnahary reo.17 Hoy reo: "Manome fisaora Anao zahay, ry Tompo Zagnahary Tsitoha, gnazy henaniky zao voho taloha, satria nangalaky gny herinao bevata iha ka nanomboky nanjaka. (Fagnamariha: Gny sasany amy reo dikan-teny taloha mivaky hoe: Gny mpanapaky gny raha iaby, gnazy henaniky zao voho taloha, sy ho avy, fa gny dikan-teny amizao fotoa tsy manahaky anizay.)18Tezitsy mare reo firenena, kanefa niavy gny fahatezeranao. Avy gny fotoa hitsara gny maty voho hamalianao soa reo mpaminany mpanomponao, reo ze mpino, reo ze natahotsy gny agnaranao, na gny tsy manan-danja na gny mahery. Avy gny fotoa handringananao reo ze manimba gny tany."19Bakeo nisokatsy gny tempolin-Dragnahary tan-dagnitsy tany ka hita gny fiaran'gny fanekeny agnaty gny tempoliny. Nisy tsela-pahazava, kotroky, kotrokora, horohoron-tany, voho havandra bevata tao.
Chapter 12

1Famantara bevata ro hita tan-dagnitsy tagny: ampela nisiky gny masoandro, ka gny vola tambany gny tombokiny, satro-boninahitsy vita tamin-kinta roa amby gny folo ro tamy lohany teo.2 Bevoka i, ka nikiaky mare fa mariniky ho teraky, agnaty gny mihetsi-jaza.3Bakeo nisy famantara hafa niseho tan-dagnitsy tany: Izao! Nisy drago mena goavam-be ze nana loha fito voho tandroky folo, sady nisy satro-boninahitsy fito tamy lohan-dreo.4 Gny rambony nifaoky ampahatelo gny kinta tan-dagnitsy tany sady nagnatoraky an-dreo tamin-tany tegny. Gny drago nitsanga tanoloha gny ampela ze fa ho teraky, ka lafa teraky i, afaky handrapaky gny gnanakiny i.5Niteraky anaky lahy i, hagnapaky gny firenena iaby miaraky amy tehim-by. Gny anakiny nalay an-keriny ho an-Dragnahary sady koa ho amy seza fiandrihanany,6 nandositsy tagn'efitsy tagny ampela igny, nisy toera fa nomanin-Dragnahary ho azy, ka ho voakarakara mandritsy gny 1260 andro i.7Nisy aly tan-dagnitsy tany. Mikaela voho reo anjeliny nialy tamy dragona igny; ka gny dragona voho gny anjeliny namaly aly.8 Tsy natanjaky gny dragona ka tsy naharesy. Ka tsy nisy toera ho azy voho anjeliny reo sasy tan-dagnitsy tagny. 9Gny dragona bevata - ze menaragna taloha kahia hoe devoly na satana, gnazy namitaky anizao tontolo zao - natoraky tagnabo gny tany tegny, ka anjeliny reo natoraky niaraky taminy.10Bakeo nahare feo mare baka an-dagnitsy agny zaho: "Henaniky zao avy gny famonjea, gny hery, gny fanjakan-Dragnaharitsika voho gny fahefan'i Kristiny. Fa gny mpiampanga gny rahalahintsika natoraky tambany tany, gny raiky ze niampanga an-dreo andro sy haliky anatrehan-Dragnahary.11Reo naharesy azy tamy lio gny Gnanak'osy voho tamy teny fijoroa gny vavolombelo reo, fe tsy nankamamy gny fiaina sasy reo ndra ho maty aza.12 Noho zay, mifalia, nareo ry lagnitsy, voho gny raha iaby mipetsaky aminy ao. Fe mitandrema amy gny tany voho gny riaky satria gny devoly ze nijotso taminareo. Feno fahatezera i, satria hainy fa fotoa fohy sisa hananany.13Lafa nahafantatsy gny dragona fa nalavo tamy tany i, nanenjiky agn'ny ampela niteraky agnaky lahy igny i.14 Fa ampela igny namea helatsy roa gny voromahery bevata, ka afaky nitily nandeha amy toera nikarakaray ho azy tagnefitsy tany. Io gny toera hitsinjova azy, mandritsy gny telo tao voho tapany - mba tsy ho hita gny menarana.15Namoaky rano manahaky gny renirano tamy vavany gny menarana, ze hifaoky agny ampela igny.16 Fa gny tany nanampy an-drampela. Nisokafy gny tany gny vavany ka nateliny gny riaky ze naboaky gny vava gny dragona. 17Tezitsy tamin-drampela gny dragona ka niala sady nila aly tamy gny ambiny taranany reo, ze nankato gny didin-Dragnahary sady nitazo gny fijoroa vavolombelo momba an'i Jesosy.18 Bakeo nitsanga tagnabo gny fasiky gny riaky dragona igny.
Chapter 13

1Nahita biby lia zaho niakatsy baka amy riaky egny. Nagna tandroky folo voho loha fito. Tamy tandrony tegny nisy diadema folo, ka tamy gny lohany nisy agnara fivolagnan-draty aby. 2Gny biby lia ze hitako manahaky gny leoparda. Gny tombokiny manahaky gny tomboky bera, ka gny vavany manahaky gny vava gny liona. Gny dragona nanome azy gny heriny, gny seza fiandrihanany, voho gny fahefany bevata hanapaky.3Gny loha gny biby lia raiky laha io fa maty, kanefa janga gny fery fa hony nahafaty azy. Tseriky gny tany iaby ka nagnaraky gny biby lia. 4Ka niankohoky tamy dragona teo reo, satria i ro nagnome gny fahefany ho agny biby lia. Niankohoky tamy biby lia igny, koa, reo, nivola hoe: "Ia ro manahaky gny biby lia?" ka "Ia ro afaky mialy aminy?"5Namea vava afaky mivola firehareha voho fivolagnan-daty biby lia igny. Namea alala I mba hampihatsy fahefa mandritsy gny efatsy ambi-efapolo vola. 6Nagnokatsy gny vavany hivola raty an-Dragnahary gny biby lia: nivola raty gny agnarany, gny toera ze hipetsahany voho reo ze mipetsaky an-dagnitsy ao.7Nambela hialy tamy reo mpino sady handresy an-dreo gny biby lia. Sady koa, gny fahefa namea azy manerana gny foko, gny olo, gny fivolagna, voho gny firenena iaby. 8Hiankohoky amy reo iaby ze mipetsaky agnabo gny tany eto, reo ze tsy voasoratsy agnara, nandritsy gny famorogna anizao tontolo zao, amy gny boky gny Fiaina, ze any Gnanak'Ondry, ze fa nivonoa.9Laha misy magnan-tsofy, aoka mba hijanjy I. 10Laha misy nalay ho babo, handeha amy fahababoa I. Laha misy nivonoy tamy sabatsy, amy sabatsy ro hamonoa azy. Toy ro kaiky ho agn'ny fahareta voho gny finoa ho an-dreo ze masy.11Nahitaky biby lia hafa zaho niakatsy baka amy tany. Ze nagna tandroky roa manahaky gny gnanak'osy, nivola manahaky gny dragona. 12Nampihariny aby gny fahefa iaby gny biby lia voalohany tanatrehany teo, ka gny tany voho reo ze mipetsaky aminy eo asainy miankohoky amy gny biby lia voalohany_ gny raiky ze janga tamy gny fery saiky nahafaty azy.13Nanao fahagaga bevata maro I. Nampijotso gny motro baka an-dagnitsy agny ho amy gny tany anoloha gny olo. 14Tamy alala gny famantara ro nanomeza alala hanao anizay, namitaky an-dreo ze nipetsaky agnabo gny tany raha zay. Nivola tamin-dreo mba hagnamboatsy sary ho voninahitsy gny biby lia ze voafery gny sabatsy nefa velo.15Nambela nasia ay gny sary gny biby lia mba hahafahagn'ny sary mivola ka ze tsy magneky miankohoky amy biby lia igny vonoa. 16Nanery gny tsirairaiky koa raha zay, ndra ny kely ndra gny be, ndra gny mpanarivo ndra gny mijaly, ndra gny tsy andevo ndra gny andevo, mandramby gny mariky amy tagna ankavana na koa amy handry. 17Tsy hisy olo mahazo mivily ndra mivarotsy mandra-pahazoany gny mariky gny biby lia, zay ro agnisany fanehoa gny agnarany.18Mitaky fahendrea raha zay. Laha misy olo manan-tsay, aoka I hagnisaky gny isaky gny biby lia. Fa zay ro isaky gny olo. 666 hisaky zay.
Chapter 14

1Nanenty zaho ka nahitaky gny gnanak'osy nitsanga tamy tendrombohitsy Ziona. Niaraky tamy reo 144. 000 ze nagna gny agnarany voho gny agnaran'ny Babany voasoratsy amy handry dreo. 2Nahare feo baka an-dagnitsy any zaho manahaky gny firohondroho gny rano maro voho gny kotroky mare. Gny feo reko koa manahaky gny mpitendry lokanga mitendry gny lokangany.3Nihira hira vaovao tanoloha gny seza fiandrihana voho tanoloha gny reo raha magnan'ay efatsy sy reo loholo reo. Tsy nisy ndra ia ndra afaky nianatsy gny hira afa-tsy reo 144. 000 ze nivilia tan-tany teto avao. 4Reo olo ze tsy nandoto gny gnain-dreo tamin'ampela, fa nitazo gny gnainy malio ara-nofo reo. Zay magnaraky gny gnanak'osy ndra aia ndra aia andehanany. Reo regny nivilia baka amy gny olombelo manahaky gny voaloham-bokatsy ho an-Dragnahary voho ho agn'ny Gnanak'osy. 5Tsy nisy vandy hita tamy somin-dreo, tsy manan-tsiny reo. [Fagnamariha: Gny dikan-teny sasany manampy hoe: "tanoloha gny seza fiandrihanan-Dragnahary"]6Nahitaky anjely hafa nitily anabo zaho, ze nagna gny hafatsy mandrakizay gny vaovao mahafaly hambara amy reo ze miay agnabo gny tany eto_ amy firenena, foko, fivolagna, voho gny olo iaby. 7Nikaiky tamy feo mare i hoe: "Matahora an-Dragnahary ka magnomeza voninahitsy Azy. Fa avy lera gny fitsarany. Mivavaha Aminy, gny raiky ze nanao gny lagnitsy, gny tany, gny riaky,voho gny loharano."8Nisy anjely hafa- gny anjely faharoa nivola hoe: "Nilavo, nilavo Babylona bevata, ze nandresy lahatsy reo firenena iaby mba hino gny divay gny fitondran-tena malotony."9Nisy anjely hafa_anjely fahatelo_ nagnaraky an-dreo, nivola tamy feo mare hoe: "Laha misy mivavaky amy biby lia voho gny sariny, ka mandramby gny mariky amy handriny na amy tagnany, 10hisotro gny sasany amy divay gny fahatezeran-Dragnahary koa I, divay tsy niharo ze narotsaky tagnaty gny kapoaky gny hatezerany. Gny olo misotro anizay ho ampijalia amy motro voho solifara anoloa gny anjely masin-Dragnahary voho anoloa gny Gnanak'osy.11Gny setroky baka amy fijalian-dreo miakatsy ho mandrakizay doria, tsy manam-pitsahara andro sy haliky reo_reo mpanompo gny biby lia voho gny sariny reo, gny olo iaby ze mandramby gny mariky gny agnarany. 12Toy ro kaiky ho agn'ny fahareta maharitsy reo ze masina, reo ze mankatoa gny didin-Dragnahary sady mino an'i Jesosy."13Nahare feo baka an-dagnitsy any zaho nivola hoe: "Sorato zao: Sambatsy gny maty ze maty ao amy gny Tompo." "Eka", hoy gny Fagnahy, "mba hahafahan-dreo miala sasatsy amy gny asan-dreo, fa gny vitan-dreo hagnaraky an-dreo."14Nanenty zaho, ka nisy raho foty. Nipetsaky tamy raho gny raiky manahaky gny gnanakin'olo. Nagna satro-boninahitsy volamena tamy gny lohany voho gny fijinja maragnitsy an-tagnany I. 15Nisy anjely hafa niboaky gny tempoly ka nikaiky tamy feo mare any gnazy mipetsaky amy raho nanao hoe: "Rambeso gny fijinjanao ka manomboha mijinja. Fa avy gny fotoa hijinja, satria masaky gny vokatsy gny tany." 16Ka gny raiky ze nipetsaky tamy raho nampandroso gny fijinjany tan-tany teto, ka nijinjay gny tany.17Nisy anjely hafa niboaky tamy tempoly tao tan-dagnitsy tany; nagna fijinja maragnitsy avao koa I. 18Mbo nisy anjely hafa koa niboaky gny alitara fandoroa ditin-kazo magnitsy, ze nagna fahefa amy motro. Nikaiky tamy feo mahery an-dreo ze nagna fijinja maragnitsy i hoe: "Rambeso gny fijinjanao maragnitsy ka avorio reo sampahom-boaloboky baka amy gny voaloboky gny tany, voaloboky reo fa masaky zao."19Nampandroso gny fijinjany tamy gny tany anjely igny sady namory gny vokatsy gny voaloboky gny tany. Natorakiny tagnaty gny famiazam-boaloboky bevatagn'ny siakin-Dragnahary zay. 20Gny famiazam-boaloboky nihitsahy ivelagn'ny tana, ka gny lio niraraky baka ao amizay raha zay niavy hatreny amy haabogn'ny lamboridin-tsoavaly, ze 1.600 stadio.
Chapter 15

1Bakeo nahitaky famantara hafa tamy lagnitsy tegny zaho, bevata sady mahatseriky: Nisy anjely fito miaraky amy loza fito, ze loza farany, fa amin-dreo ro hahatanteraky gny siakin-Dragnahary.2Nahitaky ze niseho tamy riaky fitaratsy nampiarahy tamy gny motro zaho. Nitsanga tagnila gny riaky reo ze nandresy gny bibilia voho gny sariny, gny isaky maneho gny agnarany. Reo nitazo harpa nomen-Dragnahary an-dreo.3Reo nihira gny hiran'i Mosesy, gnazy mpanompon-Dragnahary, gny hiragn'ny Gnanak'osy hoe: "Bevata voho mahatseriky reo asanao, Tompo Zagnahary, gnazy Abo indrindra. Masina voho mahity reo lalanao, ry Mpanjakan'ireo firenena. 4Ia ro tsy hatahotsy Anao, ry Tompo, voho hagnome voninahitsy gny agnaranao? Fa Iha raiky ro Masina. Gny firenena iaby ho avy sady hivavaky anatrehanao satria reo asanao marina fa nambara."5Tafara gny raha iaby reo zaho nanenty, nisokatsy tamy gny lagnitsy tegny gny tempoly ze mana lay gny fijoroa vavolombelo. 6Niboaky tamy gny toera masina indrindra reo anjely fito mitazo reo loza fito. Miakanjo malio reo, siky rongony mamiratsy voho misy fehin-troky volamena magnodidy gny tratran-dreo.7Raiky tamy reo raha magna nay efatsy nagnome agny anjely fito reo finga volamena fito feno gny siakin-Dragnahary, gnazy velo mandrakizay doria. 8Feno setroky baka amy gny voninahitsin-Dragnahary voho baka amy gny hery gny tempoly. Tsy misy ndra ia ndra ia afaky militsy ao mandra-pahatanteraky gny loza fito gny anjely fito.
Chapter 16

1Nahare feo mare nikaiky baka an-tempoly agny zaho nivola tamy gny anjely fito hoe: "Mandehana ka atopao amy gny tany reo finga fito feno gny siakin-Dragnahary."2Roso gny anjely voalohany ka nandraraky gny tamy fingany tao tamy gny tany; ratry raty voho maharary ro avy tamy gny olo ze nagna gny mariky gny bibilia, reo ze nankalaza gny sariny.3Gny anjely faharoa nandraraky gny tan- pingany tao tan-driaky tegny. Nivaliky lio raha zay, manahaky lio gny olo maty, ka maty gny raha magnan'ay iaby tan-driaky tao.4Gnazy anjely fahatelo nandraraky gny tan-pingany tao tamy gny ony voho loharano reo, ka nivaliky lio raha reo. 5Reko gny anjely gny rano manao hoe: "Marina Iha- gnazy henaniky zao voho taloha, Lay raiky Masina- satria fa nitsara reo raha reo Iha. (Fagnamariha: Ny antotan-taratasy sasany taloha mamaky hoe: "Marina Iha, Tompo- gnazy henanaky zao voho taloha sady ho avy, satria fa nitsara reo raha reo Iha.") 6Satria gny lio gny mpino voho mpaminany reo ro nalatsakin-dreo, nameanao lio ho sotroy reo; zay ro mendriky an-dreo." 7Reko gny alitara namaly hoe: "Eka, Tompo Zagnahary bevata, fitsaranao reo marina ro sady mahity."8Gnazy anjely fahefatsy nandraraky gny tan-pingany tao tamy gny masoandro, ka nahazo alala handoro gny olo amy gny motro. 9May gny hafanam-be reo, ka nivola raty gny agnaran-Dragnahary, ze magna gny fahefa amy regny loza iaby regny. Tsy nibebaky reo na nagnome voninahitsy Azy.10Bakeo gnazy anjely fahadimy nandraraky gny tan-pingany tao tamy seza fiandrihana gny biby lia, ka nandrakotsy gny fanjakany gny maiziky. Nitsako gny lelany reo noho gny fahoria. 11Nivola raty gnazy Zagnahary gny lagnitsy reo noho gny fahoria voho gny ferin-deo, sady mbo nanda gny hibebaky amizay vitan-dreo avao koa reo.12Gnazy anjely fahaenina nandraraky gny tan-pingany tao tamy gny ony bevata, gnazy Eofrata. Nisintomy zay mba hagnomana gny lala ho agny mpanjaka ze ho avy antinana agny. 13Nahitaky gny fagnahy maloto telo zaho ze niendriky saho miboaky baka an-bava gny drago, baka am-bava gny biby lia, voho baka am-bava gny mpaminany sandoky. 14 Fa fagnahy gny devoly manao famantara mahatseriky reo. Nandeha amy reo mpanjaka gny zao tontolo zao reo mba hamory an-dreo miaraky ho agny adign'andro bevata Ndragnahary Avo indrindra.15("Izao! Avy manahaky gny mpangalatsy Zaho! Sambatry ze miamby, miaro gny sikiny mba tsy hiboaky tsy amin-tsiky I ka hitan-dreo gny fahamenarany.") 16Nandesin-dreo niaraky tamy toera ze kahia hoe Hara-magedona amy Hebreo reo.17Bakeo gnazy anjely fahafito nandraraky gny tan-pingany tao tamin-tsioky. Ka nisy feo mare niboaky baka amin-tempoly voho tamy seza fiandrihana, manao hoe: "Vita zay!" 18Nisy tselatry, kotroky, kotro-baratsy, voho horohoron-tany mare- horohoron-tany bevata noho ze fa niseho hatramy zay nisia gny olo tan-tany teto, mare zao horohoron-tany zao. 19Vaky ho fizara telo gny tana bevata, ka rava gny tana gny firenena reo. Bakeo Zagnahary nikaiky mba hahatiaro an'i Babylona bevata, ka nameany anizay tana zay gny kapoaky feno divay vita amy fireheta gny siakiny.20Nanjavo gny nosy iaby, ka tsy hita sasy reo tendrombohitsy. 21Nisy havandra bevata, milanja eo amy talenta raiky eo, nijotso baka an-dagnitsy any ho amy gny olo. Nanozo an-Dragnahary reo noho gny loza tamy gny havandra satria tena mafy mare zay loza zay.
Chapter 17

1Raiky tamy reo anjely fito ze nitazo reo finga volamena fito namonjy voho nivola tamiko hoe: "Avia, ho hatoroko anao gny sazy gny mpijangajanga ze mipetsaky agnabo gny rano maro. 2Niaraky taminy ro nampijangajanga reo mpanjaka gny tany. Gny divay gny fijangajangany ro nahamamo vahoaky gny tany reo.3Bakeo gnazy anjely nanday ahy tamy gny Fagnahy tamy tany karakaina, ka nahitaky ampela nipetsaky tagnabo gny biby lia mena ze feno agnara teny raty zaho. Gnazy biby lia mana loha fito voho tandroky folo. 4Ampela io nanao siky voloparasy voho mena sady voaravaky volamena, vato sarobidy, sady vato soa. I nitazo tamy tagnany kapoaky volamena feno reo raha manpagaroharo voho gny tsy fahadiova gny fijangajangany. 5Tamy handriny teo nisy agnara mana gny dikany mivony misoratsy hoe: "Babylona bevata, gnazy neny gny mpijangajanga reo voho gny raha manpagaroharo gny tany."6Nahitaky zaho fa ampela io mamo gny lio gny mpino reo voho gny lio gny martiry ho an'i Jesosy. Lafa nahitaky azy zaho, tena nitseriky. 7Fa anjely igny nivola tamiko hoe: "Magnino iha ro tseriky? Ho azavaiko anao gny antony ampela igny voho gny biby lia ze manday azy, biby lia ze mana loha fito voho tandroky folo.8Misy gny biby lia ze hitanao, fe tsy misy henaniky zao, fa andalam-piakara baka amy farany ambany gny lavaky tsy hita noanoa. Bakeo handeha amy gny fahasimba. Reo ze miay agnabo gny tany, reo ze tsy voasoratsy amy gny Boky gny Fiaina hatramy gny namorona an'izao tontolo zao gny agnarany- ho tseriky reo lafa hahitaky gny biby lia misy, fe tsy misy sasy henany zao, fa andalam-pihavia.9Mikaiky eritseritsy ze manam-pahendrea raha zay. Reo loha fito ro vohitsy fito hipetraha gny ampela igny. 10Reo avao koa ro mpanjaka fito. Mpanjaka dimy ro lavo, raiky ro misy, ka gny hafa mbo tsy niavy; lafa avy I, fe-potoa kelikely avao ro hipetsahany.11Gny biby lia ze misy, fe tsy misy henany zao, mpanjaka fahavalo I; kanefa raiky tamy reo mpanjaka fito I, ka handeha amy gny fahasimba.12Reo tandroky folo ze hitanao ro mpanjaka folo ze mbo tsy nandramby fanjaka, fe hahazo fahefa manahaky gny mpanjaka miaraky amy gny biby lia_mandritsy gny adiny raiky reo. 13Firaisan-tsay zay, reo hagnome hery voho fahefan-dreo amy gny biby lia igny. 14Hananga aly manohitsy gny Gnanak'osy reo. Fa gny Gnanak'osy ro handresy an-dreo satria I ro tompo gny Tompo, sady mpanjaka gny mpanjaka_ka miaraky amy reo voaantso, reo voafidy, voho reo manam-pinoa."15Hoy gny anjely tamiko: "Reo rano ze hitanao, tamy nipetraha gny gnazy mpijangajanga, ro olo, vondrogn'olo, firenena, voho fivolagna.16Reo tandroky folo ze hitanao_reo voho gny biby lia hankahala gnazy mpijangajanga igny. Ho ataon-dreo lao voho tsy amin-tsiky I, handrovitsy gny nofony reo, sady handoro azy tanteraky amy motro. 17Fa Zagnahary fa nametraky ze tan-pon'izy reo mba hanatanteraky gny fikasany amy faneken-dreo hagnome gny herin-dreo hagnandesa gny biby lia mandra-pahatanteraky gny safan-Dragnahary.18Ka rampela, gnazy hitanao ro tana bevata ze manjaka amy gny mpanjaka gny tany."
Chapter 18

1Tafara gny reo raha reo nahitaky anjely hafa ze nijotso baka an-dagnitsy agny zaho. Nana fahefa bevata I, sady namirapiratsy noho gny voninahy gny tany. 2Nikiaky tamy feo mahery I, nivola hoe: "Nilavo, nilavo gny Babylona bevata! Nanjary toeram-ponena gny devoly, fialofa ho agn'ireo fagnahy maloto, sady fialofa ho an-dreo voro maloto voho manpagaroharo iaby. 3Fa gny firenena iaby nisotro gny divay gny fitondran-tena malotony. Reo mpanjaka gny tany nanao fitondran-tena maloto taminy. Reo mpivarotsy gny tany nanjary mpagnarivo tamy alala gny fomba fiainany amy gny nofo."4Bakeo nahare feo hafa baka an-dagnitsy agny zaho, mivola hoe: "Mialà aminy, ry oloko, mba tsy hizarany gny fahotany ao aminareo, sady mba tsy hahazoanareo lozany reo. 5Fa nivory manahaky gny ahabo gny lagnitsy reo fahotany, ka Zagnahary mahatiaro reo asa ratiny. 6Mamalia azy manahaky gny namalia gny hafa, ka valio avo roa eny ze fa vitany; tamy gny kapoaky ze fa nifenoiny, fenoy avo roa eny ho azy.7Manahaky azy nagnome voninahitsy gny gnainy voho niay tamy tsy fiafia, omeo azy gny fampijalia voho gny alahelo sahaza azy. Fa i nivola tam-pony nanao hoe: 'Nipetsaky manahaky gny mpanjaka vavy zaho. Tsy maty valy zaho, ka tsy hisaona mandrakizay.' 8 Noho zay ho avy amy gny andro raiky reo areti-mandringany: gny fahafatesa, gny fisaona, voho gny mosary. Hodora gny motro I, fa gny Tompo Zagnahary mahery, I ro mpitsara azy."9Reo mpanjaka gny tany ze nijangajanga voho nandeha tsy am-pieritrereta niaraky taminy hitomagny sady hiankohoky eo anatrehany lafa hahita gny setroky gny fahamaizany reo. 10Hijoro lavitsy reo, hatahotsy gny fijaliany, hivola hoe: "Loza, loza ho agny gnazy tana bevata, Babylona, tana mahery, fa amy gny lera raiky ho avy gny sazinareo."11Reo mpivarotsy gny tany mitomagny sady misaona azy, satria tsy nisy olo nialy varotsy ho azy sasy_ 12varotsy volamena, volafoty, vato sarobidy, firavaky, lamban-drongony tena soa, volomparasy, landy, mena, reo karazany hazo ala, gny fanaky ivoara, gny fanaky iaby vita baka amy gny hazo sarobidy, varahy, vy, marbra, 13kanely, zava-magnitsy, ditin-kazo, miora, hanitry, divay, menaky, koba soa disa, vary, biby fiompy voho osy, sovaly voho kalesa, reo andevo voho gny fagnahy gny olo.14Gny vokatsy ze tianao tamy gny herinao iaby hiala aminao, gny entanao lafo vily voho reo mamirapiratsy nanjavo, ka tsy ho hita sasy mandrakizay.15Gny mpivarotsy reo enta ze nanjary mpagnarivo noho I hiala aminy lavitsy noho gny fahavozoa gny fijaliany, hitomagny sady hisaona mare. 16Hivola reo hoe: "Loza, loza ho agny tana bevata ze nisiky tamy lamban-drongony tena soa, volomparasy, voho mena, sady niravahy tamy volamena, firavaky sarobidy, voho vatosoa! 17Agnaty gny lera raiky ho foana zay harea iaby zay. "Reo kapitenin-tsambo iaby, reo mandeha agnabo gny riaky iaby egny, tantsambo, voho ze iaby mipetsaky an-driaky, hijoro lavitsy.18Nikiaky reo laha vo nahitaky gny setroky gny fahamaizany. Nivola reo hoe: "Tana ino ro manahaky gny tana bevata?" 19Nagnatoraky vovoky tan-dohany I, ka nikiaky mare, nitomagny, voho nisaona, nanao hoe: "Loza, loza ho agny tana bevata ze nisy an'ireo iaby nana reo sambo an-driaky ro nanjary mpagnarivo baka amy gny harenany. Fa tagnaty gny lera raiky simba raha zay." 20"Mifalia aminy, ry lagnitsy, nareo mpino, apostoly, voho mpaminany, fa Zagnahary nanday gny fitsaranareo taminy!"21Anjely mahery raiky nangalaky vato manahaky gny vato bevata ka nagnatoraky anizay tan-driaky tegny sady nivola hoe: "amizay fomba zay, Babylona, tana bevata, harodaky arahy herisetra, ka tsy ho hita sasy. 22Gnazy feo nataon'ireo lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka sodina, voho trompetra tsy ho re aminao ao sasy. Reo mpanao asa-tagna isan-karazany tsy hita aminao ao sasy. Tsy hisy feo gny vato fikosoham-bary ho re sasy aminao ao.23Gny fahazava gny jiro, tsy hamirapiratsy aminao ao sasy. Reo feo gny mpampakatsy voho ampiakary tsy ho re aminao ao sasy, fa gny mpivarotsy nareo ro handria gny tany, ka reo firenena voafitaky tamy gny famosavianareo. 24Taminy ro nahita gny lio gny mpaminany, voho reo mpino, gny lion'ireo iaby ze voavono tan-tany teto.
Chapter 19

1Tafara gny reo raha reo nahare zahay manahaky gny feo mare gny vahoaky maro isaky tan-dagnitsy tagny zaho nanao hoe: "Aleloia. Gny famonjea, gny voninahitsy, voho gny hery an-Dragnaharintsika. 2Reo fitsarany marina voho mahity, fa nitsara gny mpivaro-tena bevata ze nagnaraty gny tany tamy gny fijangajangany I. Namaly faty gny lion'ireo mpanompony, ze nalatsany I."3Nivola fanindroany reo hoe: "Aleloia! Gny setroky miakatsy baka amy mandrakizay doria." 4Reo loholo efatsy amby roapolo voho reo raha magna nay efatsy niankohoky ka nanompo an-Dragnahary ze nipetsaky tamy seza fiandrihana. Hoy reo hoe: "Amena. Aleloia!"5Nisy feo niboaky baka amy seza fiandrihana, nanao hoe: "Derao Zagnaharintsika, nareo iaby mpanompony, nareo ze mavozo Azy, ndra gny manan-danja ndra gny mahery."6Nahare anizay manahaky gny feo gny olo maro isaky, manahaky gny firohondroho gny rano maro, manahaky gny filavoa gny kotroky mare zaho, nanao hoe: "Aleloia! Fa manjaka gny Tompo, Zagnahary ze manapaky amy gny raha iaby.7Aoka tsika ho faly sady ho ravoravo ka hagnome voninahitsy Azy satria avy gny fampakaram-baly gny Gnanak'Ondry, ka gny ampakariny fa nioma. 8Namea alala hisiky siky rongony mamiratsy voho malio I" (fa gny siky rongony ro asa marina gny olo-masina reo).9Anjely igny nivola tamiko hoe: "Sorato zao: Sambatsy reo ze nasay tamy gny fety fampakaram-baly gny Gnanak'osy. Nivola tamiko koa I hoe: "Reo safa marinan-Dragnahary." 10Niankohoky tan-tombokiny mba hanompo azy zaho, fa hoy i tamiko: "Ka manao anizao! Zaho mpiara-manompo aminao voho rahalahinao reo ze mitazo gny fijoroa vavolombelo mikasiky an'i Jesosy. Manompoa an-Dragnahary, fa gny fijoroa vavolombelo mikasiky an'i Jesosy ro fagnahy gny faminania."11Nahita gny lagnitsy nisokatsy zaho sady nanenty ka nisy sovaly foty. Gny mpanday azy kahia hoe mahatoky voho marina. Amy gny fahamarigna ro hitsarany voho hialiany. 12 Masony regny manahaky gny lela motro, ka amy gny lohany eo misy satro-boninahitsy maro. Magna agnara voasoratsy aminy eo ze tsy misy mahay afa-tsy I raiky avao. 13 Misiky siky lava ze najoboky tamy gny lio I, ka gny agnarany kahia hoe gny Tenin-Dragnahary.14Tafiky gny lagnitsy regny nanaraky azy tamy gny sovaly foty, misiky siky rongony, foty sady malio. 15Baka amy gny vavany ro miboaky gny sabatsy maragnitsy ze amizay avao koa ro hamelezany reo firenena, ka hagnapaky an-dreo amy tehy vy I. Magnitsaky amy gny famiaza gny fahavinira gny siakin-Dragnahary Tsitoha I. 16Magna agnara voasoratsy amy gny siky lavany amy gny feny I hoe: "Mpanjakan'ireo mpanjaka voho Tompon'ireo tompo."17Nahitaky anjely nitsanga tamy gny masoandro zaho. Nikaiky tamy feo mahery reo voro mitily agnabo iaby reo I hoe: "Avia, miangona ho agny gny fety bevatan-Dragnahary. 18Avia hihina gny nofo gny mpanjaka reo, gny nofo gny mpitari-tafiky reo, gny nofo gny lelahy mahery, gny nofo gny sovaly reo voho reo mpanday azy, gny nofo gny lelahy iaby, gny afaky voho gny andevo, gny tsy manan-danja voho gny mahery."19Nahitaky gny biby lia voho reo mpanjaka gny tany niaraky tamy tafikin-dreo zaho. Niango reo mba hialy amy gny raiky ze nanday gny sovaly voho amy gny tafiny. 20Voasambotsy gny biby lia ka niaraky taminy gny mpaminany sandoky ze nanao famantara reo tanatrehany. Tamy famantara reo ro namitahany reo ze nandramby gny mariky gny biby lia voho reo ze nanompo gny sariny. Reo roa natoraky velo tagnaty gny farihin-motro mirehitsy solifara.21Gny ambiny amin-dreo nivonoy tamy sabatsy ze niboaky gny vava gny raiky ze nanday gny sovaly. Gny voro iaby nihina gny mofo mangatsiakin-dreo.
Chapter 20

1Nahitaky anjely nijotso baka an-dagnitsy zaho. Nagna gny lakile gny lavaky tsy hita noanoa I, sady nagna rojo vy bevata tan-tagnany tegny. 2Nisambotsy gny dragona I, gny menaragna taloha, gny devoly, gny satana, ka nifeheziny arivo tao. 3Natorakiny tagnaty lavaky tsy hita noanoa I, nihiliny ka nasiany tombo-kase taminy teo. Natao zay raha zay mba tsy hamitahany gny firenena maro sasy mandra-pahatapitsy gny arivo tao. Afaran'izay, tsy maintsy habototsy fotoa kelikely I.4Nahita seza fiandrihana maro zaho. Nipetsaky tagnabo gny reo ze namea fahefa mitsara. Nahitaky gny fagnahin-dreo ze nitapahin-doha zaho noho gny fijoroa vavolombelo mikasiky an'i Jesosy ka noho gny tenin-Dragnahary. Tsy niankohoky tamy gny biby lia na tamy gny sariny reo, reo nanda gny handramby gny mariky gny biby lia tamy gny handriny ndra tamy gny tagnany. Nanjary velo ndraiky reo, ka nanjaka niaraky tamin'i Kristy nandritsy gny arivo tao.5Gny ambiny maty regny tsy velo mandra-pahatapitsy gny arivo tao. Zay ro fitsangana voalohany. 6Sambatsy sady masina ze olo magna gny anjara amy gny fitsangana voalohany! Anatrehan'izay tsy manan-kery gny fahafatesa faharoa. Reo ro ho mpisoron-Dragnahary voho Kristy ka hanjaka miaraky Aminy mandritsy gny arivo tao.7Lafa tapitsy gny arivo tao, hovahay amy gny tragnomaiziky ao Satana. 8Hiboaky i mba hamitaky gny firenena maro amy gny vazan-tany efatsy_Goga voho Magoga_mba handay an-dreo miaraky ho amy gny aly. Reo ho maro manahaky gny fasiky gny riaky.9Niakatsy agnabo gny tany lemaky reo ka nagnodidy gny toby gny mpino, gnazy tanàna malala. Nefa nisy motro nijotso baka an-dagnitsy agny ka nandripaky an-dreo. 10Gny devoly, ze namitaky an-dreo, natoraky tamy gny farihy motro solifara, toera ze hanatoraha gny biby lia voho gny mpaminany sandoky. Ka ampijalia andro sy haliky mandrakizay ka mandrakizay reo.11Nahitaky seza fiandrihana foty bevata zaho voho gnazy nipetsaky tagnabony teo. Gny tany voho gny lagnitsy nandositsy gny fanatrehany, kanefa tsy nisy toera andehanan-dreo. 12Nahita gny maty zaho__ gny bevata voho gny madiniky__nitsanga taloha gny seza fiandrihana, ka nivelary reo boky. Nisy boky raiky nivelary__Gny boky gny Fiaina. Gny maty nitsaray araky gny voasoratsy tamy gny boky reo, araky gny asany.13Gny riaky namoaky gny maty tagnatiny tao. Gny fahafatesa voho reo fiainan-tsy hita namoaky gny maty ze tamin-dreo tao, ka gny maty nitsaray araky gny raha nataony. 14Gny fahafatesa voho gny fiainan-tsy hita natoraky tamy gny farihy motro. Zay ro fahafatesa faharoa-gny farihy motro. 15Laha misy agnara tsy hita voasoratsy amy gny boky gny Fiaina, natoraky tagnaty gny farihy motro.
Chapter 21

1Bakeo zaho nahita lagnitsy vaovao voho tany vaovao, fa foa gny lagnitsy voalohany voho gny tany voalohany, ka tsy nisy sasy gny riaky. 2Hitako gny tana masina, Jerosalema vaovao, ze nijotso baka an-dagnitsy baka amin-Dragnahary, voahoma manahaky gny ampiakary ampihaingoa ho an'ny valiny.3Nahare feo mahery baka amy seza fiandrihana zaho manao hoe: "Intoy! Amin'olo eo gny toeran'ny tabernakelin-Dragnahary, ka hiay miaraky amin-dreo I. Ho olony reo, ka Zagnahary vatany ro hiaraky amin-dreo ka I ho Zagnahary dreo. 4Hamafa gny ranomaso iaby amy mason-dreo I, ka tsy hisy fahafatesa sasy, na alahelo, na tomagny, na fitaintaina. Fa roso reo raha taloha reo.5Gnazy raiky ze nipetraky tamy seza fiandrihana nivola hoe: "Intoy! Nataoko vaovao gny raha iaby." Hoy I: "Sorato zao satria reto safa reto dia mahatoky voho marina."6 Hoy I tamiko hoe: "Fa vita reo raha reo! Zaho ro Alfa voho Omega, gnazy fiandoha voho fiafara. Ze mangetaheta homeako ho sotroy maimaim-poa baka amy gny loharano gny fiaina.7Ze mandresy handova reo raha reo, ka Zaho ro ho Zagnahariny, ka I ho anako. 8Fa gny osa, tsy manam-pinoa, maharikoriko, mpamono olo, mpijangajanga, mpanao aoly, mpanompo sampy, voho mpavandy, amy gny farihy mirehitsy motro solifara ro misy an-dreo. Zay ro fahafatesa faharoa."9Namonjy ahy gny raiky tamy gny anjely fito, gnazy raiky nana gny finga fito feno reo loza fito farany, ka hoy i hoe: "Avia ety. Ho hatoroko anao gny ho ampiakary, gny valin'ny gnanakosy." 10Bakeo nandesiny tamy gny fanahy tan-tendrombohitsy abo zaho ka natorony ahy Jerosalema tana masina mijotso baka an-dagnitsy baka amin-Dragnahary.11Nagna gny voninahitsy Ndragnahary i Jerosalema, ka gny famirapiratsiny manahaky gny vato soa lafo vily, manahaky gny vato kristalina jaspy malio. 12Nagna rindry abo bevata niaraky tamy gny vavahady ro amby gny folo, niaraky tamy gny anjely ro amby gny folo tamy gny vavahady. Tamy gny vavahady reo ro voasoratsy gny anara gny foko roa amby gny folo gny gnanak'Israely. 13Nisy vavahady telo tan-tinana, vavahady telo tavaratsy teo, vavahady telo tan-timo, voho vavahady telo tan-drefa teo.14Nagna fototsy ro amby gny folo gny rindry gny tana io, ka tamireo teo ro nisy reo agnara roa amby gny folo gny apostoly gny Gnanak'Ondry. 15Gnazy raiky ze niresaky tamiko nana fandrefesa volotara vita tamy gny volamena mba handrefesa gny tana, reo vavahadiny, voho gny rindriny.16Miendriky efa-joro tana io; mitovy gny lavany voho gny sakany. Nandrefy gny tana tamy gny fandrefesa volotara I, roa arivo stadio gny halavany (mitovy gny lavany, sakany, voho gny hahabony). 17Nandrefy gny rindrin'izay koa I, hakiho laha refy gny olo (ze refy gny anjely avao koa).18Vita tamy jaspy gny rindry sady tamy gny volamena tsy misy fangarony, manahaky gny fitaratsy malio. 19Gny fototry gny rindry voaravaky tamy reo karazan-bato lafo vily iaby. Gny voalohany jaspy, gny faharoa safira, gny fahatelo kalkedona, gny fahaefatsy emeralda, 20gny fahadimy sardoniksa, gny fahaenina karneola, gny fahafito krysolita, gny fahavalo beryla, gny fahasivy topaza, gny fahafolo krysopraso, gny faha raiky amby gny folo jacinta, gny faha roa amby gny folo ametysa.21Ny vavahady roa amby gny folo vita amy gny vatosoa roa amby gny folo; gny tsirairaiky amy vavahady reo vita amy gny vato soa raiky. Reo lalam-be tan-tana teo volamena tsy misy fangarony, manahaky gny fitaratsy mangarahara. 22Tsy nahita tempoly tan-tana tao zaho, satria Tompo Zagnahary Tsitoha voho gny Gnanak'ondry ro tempoliny,23Gny tana tsy nila masoandro na vola mba hamirapiratsy satria gny voninahitsy Dragnahary namirapiratsy tamizany, ka gny gnanak'osy ro jiron'izany. 24Handeha amy gny fahazava gny tana zay reo firenena iaby. Reo mpanjaka gny tany handay gny fahatsaran-dreo ho amin'izany. (Fagnamariha: Gny antontan-taratasy taloha sasany mivaky hoe: " Reo firenena ze voavonjy handeha amy gny fahazava gny tana zay.") 25Tsy hihily vavahady reo mandritsy gny andro, sady tsy hisy haliky agny.26Handay gny fahatsara voho gny haja gny firenena ao amizay reo, 27ka tsy hisy maloto hilitsy amizany ao mihintsy. Tsy hisy ndra ia ndra iahanao raha mahamegnatsy na mamitaky hilitsy ao, fa reo ze voasoratsy agnara amy gny Boky gny gnanak'osy gny fiaina avao.
Chapter 22

1Ka natoro gny anjely ahy gny onin'ny rano gny fiaina, malio manahaky gny kristaly. Zay mikoria baka amy gny seza fiandrihanan-Dragnahary voho gny Gnanak'Ondry 2mamakivaky agnivo gny lala gny tana. Ka gny andaniny roa amy gny ony samby misy gny hazo gny fiaigna, mamoa karazany voa roa amby gny folo, ka mamoa gny voany isam-bola. Gny ravin'ny hazo ze natao hagnasitrana gny firenena iaby.3Ka tsy hisy sasy gny voahozo. Gny seza fiandrihanan-Dragnahary voho gny gnanak'osy ho amy tana ao, ka reo mpanompony hanompo Azy. 4Hahitaky gny Endrikiny reo, ka gny agnarany ho amy gny handrin-dreo. 5Ka tsy hisy aliky sasy; reo tsy mila fahazava gny jiro na gny masoandro sasy satria gny Tompo Zagnahary ro hazava amin-dreo eo. Ka hanjaka mandrakizay doria reo.6Hoy anjely igny tamiko: "Safa reo atokisa voho marina. Gny Tompo, Zagnahary gny fanahy gny mpaminany reo, nandefa gny anjeliny mba hampiseho reo raha tsy maintsy hitranga tsy ho ela amy gny mpanompony reo." 7Intoy! Fa mariniky gny fihaviako! Sambatry ze mankato reo safa gny faminania amy gny boky ty."8Zaho, Jaona, gnazy raiky nahare voho nahitaky reo raha reo. Lafa nahare voho nahitaky anizay zaho, niankohoky tamy tomboky gny anjely gny tenako mba hidera azy, gnazy anjely ze nampiseho ahy reo raha reo. 9Hoy I tamiko: "Ka manao anizao! Fa mpanompo namanao miaraky aminao zaho, miaraky amireo mpaminany rahalahinao, sady miaraky amy reo ze mankato reo safa gny boky ty. Midera an-Dragnahary!"10Hoy I tamiko: "Ka asia tombo-kase reo safa gny faminania amy ty boky ty, fa antomotry gny fotoa. 11Ze manao gny tsy marina, ambelao I hanohy gny tsy fahamarigna. Ze maloto fiaina, ambelao i hanohy gny fiaina maloto. Ze marina, ambelao I hanohy gny fanaova gny marina. Ze masina, ambelao I hanohy gny fahamasina."12Intoy! Fa mariniky gny fiaviako. Gny valisoako miaraky amiko, mba hamaliako gny tsirairaiky araky gny zava-bitany. 13Zaho ro Alfa voho Omega, gny voalohany voho farany, gny fiandoha voho fiafara.14Sambatsy reo ze manasa gny sikin-dreo mba hahazo alala mihina baka amy gny hazo gny fiaina voho hilitsy amy gny tana baka amy vavahady eo. (Fagnamariha: Laha tokony: "Sambatsy reo ze manasa gny sikin-dreo." Reo antontan-taratasy hafa taloha mivaky hoe: "Sambatsy reo ze manao gny didiny.") 15Fa amonto agny alika reo, reo mpanao aoly, reo mpijangajanga, reo mpamono olo, reo mpanompo sampy, voho reo iaby ze tia mavandy sy mpavandy.16Zaho, Jesosy, nandefa gny anjeliko mba hanambara aminareo reo raha reo ho any fiangona reo. Zaho ro fakany voho taranak'i Davida, lay kinta mamirapiratsy maraindray."17Gny fanahy voho gny ampiakary manao hoe: "Avia!" Aoka ze mahare hivola hoe: "Avia!" Ndra ia ndra ia mangetaheta, aoka I hamonjy ety, ka ndra ia ndra ia maniry anizay, aoka I hahazo maimaim-poa gny rano gny fiaina.18Zaho manambara amy ze iaby mahare gny safa gny faminania amy ty boky ty: "Laha misy manampy anireo, Zagnahary hanampy loza ho azy ze voasoratsy amy ty boky ty. 19Laha misy manaisotry gny safa faminania amy ty boky ty, Zagnahary hanaisotry gny anjarany amy gny hazo gny fiaina voho gny tana masina ze voasoratsy agnatin'ity boky ty." (Fagnamariha: Gny antontan-taratasy taloha mivaky hoe: "Zagnahary hanaisotry gny anjarany amy gny boky gny fiaina ka amy gny tana masina ze voasoratsy amy ty boky ty.")20Hoy gnazy raiky ze manambara reo raha reo: "Eka! Fa mariniky gny fihaviako." Amena! Miavia, ry Tompo Jesosy! 21Ho amy gny olo iaby anie gny fahasoava gny Tompo Jesosy. Amena.