Malagasy, Northern Betsimisaraka: Bible for 1 Corinthians, 1 John, 1 Peter, 1 Timothy, 2 Corinthians, 2 John, 2 Peter, 2 Timothy, 3 John, Acts, Ephesians, Galatians, Hebrews, James, John, Luke, Mark, Matthew, Philemon, Revelation, Romans, Titus

Formatted for Translators

©2022 Wycliffe Associates
Released under a Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Bible Text: The English Unlocked Literal Bible (ULB)
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English Unlocked Literal Bible is based on the unfoldingWord® Literal Text, CC BY-SA 4.0. The original work of the unfoldingWord® Literal Text is available at https://unfoldingword.bible/ult/.
The ULB is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Notes: English ULB Translation Notes
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English ULB Translation Notes is based on the unfoldingWord translationNotes, under CC BY-SA 4.0. The original unfoldingWord work is available at https://unfoldingword.bible/utn.
The ULB Notes is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Below is a human-readable summary of (and not a substitute for) the license.
You are free to:
The licensor cannot revoke these freedoms as long as you follow the license terms.
Under the following conditions:
Notices:
You do not have to comply with the license for elements of the material in the public domain or where your use is permitted by an applicable exception or limitation.
No warranties are given. The license may not give you all of the permissions necessary for your intended use. For example, other rights such as publicity, privacy, or moral rights may limit how you use the material.

Matthew

Chapter 1

1Ny Bokin'ny razan'i Jesosy Kristy zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2Abarahama no baban'Isaka, ary Isaka no baban'i Jakoba, ary Jakoba no baban'i Joda sy ireo rahalahigny. 3Joda no baban'i Fareza sy Zara avy tamin'i Tamara, Fareza no baban'i Herizona, ary Herizona no baban'i Roma.4Roma no baban'i Aminadaba, ary Aminadaba no baban'i Nasona, ary Nasona no baban'i Salomona. Salomona no baban'i Boaza tamin'i 5Rahaba, Boaza no baban'i Obeda tamin'i Rota, Obeda no baban'i Jese. 6Ary Jese no baban'i Davida mpanjaka, Davida no baban'i Solomona tamin'ny alan'ny vadin'i Oria.7Solomona no baban'i Rehoboama, Rehoboama no baban'i Abia, abia no baban'i Asa. 8Asa no baban'i Jaosafata, ary Joasafata no baban'i Jorama, ary Jorama no baban'i Ozia.9Ozia no baban'i Jotama, Jotama no baban'i Ahaza, Ahaza no baban'i Hezekia. Hezekia no baban'i Manase, 10Manase no baban'i Amona, ary Amona baban'i Josia. 11Josia no razan'i Jekonia sy iré rahalahiny tamin'ny fotonan'ny nanoroavana ho any Babilona.12Tafaran'ny fanoroavana ho any Babilona, dia Jekonia no baban'i Sealtiela, ary Sealitiela no razan'i Zerobabela. 13Zerobabela no baban'i Abihida, Abihoda no baban'i Eliakima, ary Eliakima baban'i Azora. 14Azora no baban'i Zadoka, Zadoka no baban'i Akima, ary Akima no baban'i Elioda.15Elihoda no baban'i Eliazara, Eliazara no baban'i Matana, ary Matana no baban'i Jakoka. 16Jakoka no baban'i Josefa izay vadin'i Maria, ilay niteraka any Jesosy, izay nantsoigny hoe Kristy. 17Ny taranaka jiaby manômboko ami'ny Abrahama ké hatragny amin'ny Davida de taranaka efatra ambn'ny fôlo, manômboko amin'ny Davida ké hatragny amin'ny fanoroavana ho agny Babilona de taranaka efatra ambin'ny fôlo, ary manômboko amin'ny fanoroavana ho agny Babilona ké hatragny amin'i Kristy de taranaka efatra ambiny fôlo.18Kara zao no nisehoan'ny fahaterahan'i Jesosy Kristy. Ny mamany, de efa natokana hagnambady an'i Josefa, kanefa talohan'ny niarahahan-jaré ré, de hita fô nitoe-jaza izy avy tamin'ny Fanahy Masigny. 19Josefa, vadiny, de lalahy marigna, no sady tsy ta-hagnalabaraka agnanjy amason'ôlomaro. ké nanapakevitry izy ny hamaragna mangingigna ny fifagnikiagna taminanjy.20Ary kô izy mbôla nieritreritry mikasika iré raha ré igny, de niboaka taminanjy tamin'ny nofy ny anjelin'ny Tompo, magnano hoe: ''Josefa, zanaka lahin'i Davida, aza matahotro ny hialaka an'i Maria ho vadinô, satria ilay araiky izay notorotorognina akô agnatiny de ny Fagnahy Masigny no nametraka ananjy. 21hiteraka zaza lalahy izy, kéanà hagnatso ny agnarany hoe Jesosy, fô izy no hamonjy ny ôlony hiala amin'ny fahotagnan-jaré ré.''22Izégny jiaby izégny de niseho mbô hahatanteraka izay nikoragnin'ny tompo tamin'ny alalan'ilay mpaminagny, magnano hoe: 23"Indro ny virjiny hitoe-jaza ké hiteraka zazalalahy, ary zaré ré hagnantso ny agnarany hoe Imanoela''_zay midika hoe: "Amintsika Andriamanitra."24Nifoha tamin'ny tôromasony Josefa ke nagnano arak'izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ananjy ké nalaka ananjy ho vadiny. 25Kanefa tsy niaraka taminy izy mandra-piterahany zazalahy. ké nantsovigny hoe Jesosy ny anarany.

Chapter 2

1Tafaran'ny nahaterahan'i Jesosy takô Betleheman'i Jodia tamin'ny andron'i Heroda mpanjake, de tônga takô Jerosalema iré lalahy manam-pahalalagna avy agny antsignianagna novôlagna hoe: 2"Akéza Izy zay teraka ho mpanjakan'ny Jiosy? Nahita ny kintagna avy agny antsignianagna zahay ké tônga Mbô hidera ananjy." 3Kôfa naharagny izégny i Heroda mpanjaka, de nangorohoro izy, sy i Jerosalema jiabijiaby niaraka taminanjy.4Nindôsin'i Heroda niaraka ny lohan'ny mpisorogna jiaby sy ny mpanora-dalagnan'ny ôlogno, ké nagnontany ananjy iré izy hoe: "akéza no hahaterahan'i Kristy? 5"Nivôlagna taminanjy iré izy hoe: "Akô Betleheman'i Jodia, fô izao no voasoratry ny mpaminagny hoe:" 6Fô anô, Betlehema, agny amin'ny tanin'ny Joda, de tsy farany hely amin'iré mpitondran'i Joda, fô avy aminô no hatongavan'ny mpanapaka zay hiambigny ny oloko Israely."7Ké nagnantso mangingigna iré lalahy manan-pahalalagna i Heroda mbô hagnontany ananjy iré mazava tsara ny fotoagna nipoiran'ilay kintagna. 8Nalefany tagny Betlehema zaré ré, managno hoe: "Mandehana ké fotôro tsara ny amin'ilay zaza kôfa hitanaré izy, de ampilazà zaho, mbô afahako mandeha agny andreky koa ké hidera ananjy."9Tafaran'ny narignesan-jaré ré ny mpanjaka, de nandeha tamin'ny lalagnany zaré ré, ké ny kintagna zay hitan-jaré ré tegny antsignianagna no nialôha ananjy iré mandra-pidokoany také ambonin'ny toerana nisy lay zaza. 10Kôfa nahita ny kintana zaré ré, de niravo tamim-pifaliam-be.11Niditra tao amin'ilay trano izy ireo ary nahita ny zaza niaraka tamin'i Maria reniny. Niankohoka sy nidera azy izy ireo. Nanokatra ny fitoeran-kareny izy ireo ary nanolotra fanomezana volamena, dintin-kazo manitra, ary miora ho azy. 12Nampitandrina azy ireo tamin'ny nofy Andriamanitra mba tsy hiverina any amin'i Heroda, ka lalana hafa no nandehanan'izy ireo namonjy ny fireneny avy.13Kôfa dila zaré ré, de nisy anjelin'ny Tompo niboaka tamin'i Josefa tamin'ny alan'ny nofy ké nivôlagna hoe: ''Miankoha, indôsy ny zaza mbôn'ny mamany, ké milifasa agny Egypta. Midokoà agny mandra-pivolanako aminà, fô i Heroda de mitady lé zaza mbô hamonoana ananjy.'' 14Ny alin'iny Josefa de nifôha ké nitondra ny zaza mbôndreniny ké nakagny Egypta. Nidôko tagny izy mandra-pahafatesan'i Heroda. 15Izégny de nanantateraka zay nivolagnin'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: ''Nantsôviky niala tagny Egypta ny zanako.''16Avy také Heroda, kôfa nahita fô voafitak'iré lalahy manam-pahalalagna, de fingitra mafy. Nagnasa sy nampamono ny zaza lalahy jiaby roa taogno no mirorogno zay takô Betlehema sy takô amin'ny faritra jiaby igny izy, karahà ny fotoagna zay nofotorany mazava tamin'iré lalahy manam-pahalalagna.17Avy aké de tanteraka ny teny zay nivolagnina tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany hoe: 18"Nisy feo regny takô Roma, fitomagniagna sy fisaonam-be, mitomagny nohon'ny amin'ny zanany i Rahely, ké tsy nagneky ny ho ampanginigna izy, satrià efa lasana zaré ré.''19Kôfa naty i Heroda, indre, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tagny Egypta tamin'ny nofy ké nivôlagna hoe: 20''Mifohàza ké indôsy ny zaza mbôn'ny mamany ké mandihàna agny ami'ny tanin'Israely, fô efa naty iré zay nifofo ny aignin'ny zaza.'' 21Nifôha Josefa, nindôsiny ny zaza mbôn'ny mamany, ké nandeha tamin'ny tanin'Israely.22Fô kôfa régny fô i Arkelaosy no nanjaka tagny Jodia nandimby an'i Heroda babany, de natahotro ny ho agny izy. tafaran'ny nampitandreman'Andriamanitra ananjy tamin'ny nofy, ké niala nakagny amin'ny faritr'i Galilia izy 23ary nandeha ké nipetraka takô amin'ny tanagna antsovigna hoe Nazareta. izégny de hahatanteraka zay voàlaza tamin'ny alalan'iré mpaminagny hoe: ''Nazaregna no hagnatsôvagna ananjy.''

Chapter 3

1Tamin'izégny andro izegny de nandeha nitory tagny agn'efitr'i Jodia i Jaona mpagnano Batisa magnano hoe: 2''Mibebaha, fô efa mariny ny fanjakan'ny lagnitry." 3Fo izy no lay nivolagnin'Isaia mpaminagny, magnano hoe: "Misy feho araiky magnatso mafy agny agn'efitry hoe: "Amboaro ny lalan'ny Tompo, ahitsy ny lalany."'4Ary Jaona nagnato volon-drameva sy nagnatô fehin-kibo hôditry tamin'ny andilagnany. Kojeja sy tintily remby no nataony fioanigny. 5Ary Jerosalema, Jodia jiaby, sy ny faritry jiaby magnodidigny ny reniranon'i Jordana de nagnatona ananjy. 6Nataony batisa tagny amin'ny reniranon'i Jordana izy iré, kôfa nihaiky ny fahotagnany.7Fô kôfa nahita iré Fariseo sy Sadoseo maro nagnatogno ananjy mbô ho atô batisa izy, de aozy tamin-jaré ré hoe: "Ry taranaka menaragna feno poizigny, izôvy no nampitandrigna anaré hilefa ny fahavigniragna zay ho avy? 8Mamoaza voa mendriky ny fibebahagna. 9Ké aza misaigny ny hivôlagna agneritreritra hoe: 'Managna an'i Abrahama ho babanay zahay.' Fô ivolagniky aminaré fô Andriamanitra de mahavita manangagna zanaka ho an'i Abrahama na de avy amin'ireto vato reto aza.10Ary efa napétraka aké ampoton'ny kakazo ny famaky. Ké iré kakazo jiaby zay tsy mamoà voa tsara de ho tapahina ké atsipy agny agnaty afo. 11Magnano batisa anaré amin'ny rano ho amin'ny fibebahagna zaho. Fô mahery noho zaho izy zay tônga afarako, ary zaho dé tsy tokony aby na de ny hitôndra ny kapany aza. Agnano batisa anaré amin'ny Fagnahy Masigny sy ny afo izy. 12Efa egny antagnany ny fikororohany mbô hagnadiovagna ny milôlo ké hagnangonagna ny variny agny an-tohitry. Fô izy de hagnoro iréo angafony amin'ny afo zay tsy mety maty.13Avy také Jesosy avy tagny Galilia ké tonga také amin'ny reniranon' i Jordana mbô ho ataon'i Jaona batisa. 14Kanèfa i Jaona de niezaka nanakagna ananjy, magnano hoe: "Zaho no mila atônà batisa, nefa anà ndraky vô no magnatogno anahy? 15Jesosy namaly sady nivôlagna taminanjy hoe: "Ekeo izégny avahizo, fô zao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinagna jiaby." Avy také Jaona nagneky ananjy .16Kôfa vita batisa Izy, de nivoaka ny rano avy atragny Jesosy, ary indré, nisokatra taminanjy ny lagnitry. Hitany ny Fagnahin'Andriamanitra nirôrogno karaha pizigny sady nandeha tam-bôniny. 17Ary indré, nisy feo avy agny andagnitry nagnano hoe: "Itô no zanako malalako. Zay tegna sitrako."

Chapter 4

1Avaké Jesosy nindôsisn'ny Fagnahy ho agny agnefitra mbô halain'ny devoly fagnahy. 2Kôfa avy nifady hanigna efapôlo andro sy efapôlo aligna izy de tihinagna. 3Nagnatogna ny mpaka fagnahy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Kô Zanak'Andriamanitra anô, de volagno iré vato iré mbô ho tônga môfo. 4Fô namaly Jesosy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Voasôratra hoe: 'Tsy môfo foagna hivilôman'olo fô ny koragna jiaby avoakan'ny vavan'Andriamanitra.'''5Avaké ny devoly nitôndra ananjy tagny amin'ny tanàgna masigna ké nametraka ananjy také amin'ny faratampon'ny tempoly, 6ké nivôlagna taminanjy hoe: "Kôa Zanak'Andriamanitra anà, de mivariagna ambany akagny, fô voasôratra hoe: 'Izy hagnasa iré anjeliny hitagna anà sy hanandratra Anà aké amin'ny tagnanjaré, ké tsy ho vatsitôhigna amin'ny vato tongotranà."'7Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: "Dia mbôla voasoratra koa hoe: "Tsy tôkony hizafagnafy ny Tompo Andriamanitranà anà."' 8Nindôsiny devoly agny amin'ny tany ambo koa Izy ary natorony ananjy ny fanjakagna jiaby ambôn'ny tany sy ny hatsaran'ire. 9Ahozy taminanjy hoe: "Amiako anà rà jiaby iré, izy koa miankôhoko ake alôhako sy midèra anahy ana."10Avy take Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: "Mialà ake ana, Satana! Fô èfa voasôratra hoe: 'Ana de hidèra ny Tompo Andriamanitrana, ary izy raiky foagna no ho tompôna."' 11Avake niala Ananjy ny devoly, ary egy, nisy anjely tônga ké nanômpo Ananjy.12Kôfa regnin'i Jesosy fô voasambotro Jaona, dia nierigna akagny Galilia izy. 13Niala an'i Nazareta izy kè nandèha ary nipètraka tako Kapernaomy, zay amôron-dranomasigny Galilia, akè amifairan-tanin'i Zebolona ndraiky Naftaly.14Zaigny no nitranga mbô hahatantairaka zay nivolagnin'Isaia mpaminagny hoe: 15"Ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly, mandéha amin'ny ranomasigna, agny an-dafin'i Jordana, Galilia an'ire Jentilisa! 16Ire ôlogno nipètraka tamin'ny maizigna kè nahita fahazavagna maventy, fô ire zègny nipétraka tamin'ny faritra sy ny lindogna ny fahafatèsagna, de také amin'jaré ré no nivoahan'ny fahazavagna."17Kay tamin'jagny fotoagna zagny Jesosy dia nanomboka nitory teny sy nivôlagna hoe: "Mibebaha, fô èfa mariny ny fanjakan'ny lagnitry."18Kôa nandèha tagny amoron'ny Ranomasignin'i Galilia Izy, de nahita roa miralahy, Simona zay nantsôvigny hoe Petera, ary Andrea ralahiny, nanôraka ny haratony tandranomasigna, fô mpagnarato izy ire. 19Hozy Jesosy tamin'jaré hoe: "Andèha, hagnaraka Zaho, fô hatôko mpagnarato ôlogno anaré." 20Takeke foagna da niala ire harato izy iré kè nagnaraka Ananjy.21Avake koa mbôla nagnatogna Jesosy de nahita ro miralahy afa koa, de Jakoba zanak'i Zebedio ndraiky Jaona ralahiny. Nagnamboatra ny haratony takô an- tsambo izy iré niaraka tamin'i Zebedio, baban'izy ire. Ngnantso ananjy ire Izy, 22kè takeke foagna dia niala ny sambohely sy ny babany izy ire kai nagnaraka Ananjy.23Nandaiha nagnodidignan'i Galilia Jesosy, nampianatra takô amin'ny Synagogan'jaré, nitory ny filazantsaran'ny fanjakagna, ary nagnasitragna ire karazagna aretigna jiaby miaraka amin'ny abokagna jiaby tamin' ôlogno. 24Naraisaka èran'i Syria ny vôvô makasika Ananjy, kè nivolagnin'ôlogno taminanjy ire zegny marary jiaby, mararin'ny karazagn'aretigna sy fanaintaignana, ire azon'ny devoly, sy zegny tôrantôragna sy mararin'ny paralysisa. Nitahan'i Jesosy izy iregny. 25Vahoaka baitsaka avytagny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy agny an- dafin'i Jordana no nagnaraka Ananjy.

Chapter 5

1Koa nahita iré fôkonôlo Jesosy, kè niakatra také an- tendrombôhitra. Kôfa tafipaitraka Izy, de nandaiha Taminanjy iré mpianatrany. 2Nivôlagna Izy sady nampianattra anjaré, magnano hoe: 3"Sambatra ny mahantra am-pagnahy, fô anjaré ny fanjakagnan'ny lagnitra. 4Sambatra iré misaogno, fô hampionognina zaré.5Sambatra iré malemy fagnahy, fô zaré no handôva ny tany. 6Sambatra iré zay tihinagna sy mangètahata ny fahamarignagna, fô ho vokisagna zaré ré. 7sambatra iré mamindra fô, fô hahazo famindram-pô zaré ré. 8Sambatra iré mady am-pô, fô hahita an'Andriamanitra zaré ré.9Sambatra iré mpampihavagna, fo izy ré no antsôvigny hoe zanak'Andriamanitra. 10Sambatra iré zay injehigna nôhon' ny fahamarignagna fô anjaré ré ny fanjakagnan'ny lagnitry.11Sambatra anaré kô magnaratsy anaré sy magnenjiky anaré ny ôlogna, ké mivôlagna karazagna lënga tsimanjary jiaby hanôhitra anaré nôhin'ny aminahy. 12Mifalià sy miravoravoa, fô maventy ny valisoanaré agny an- dagnitry. Fô karan-jegny ny fômba nagninjèhagnan'ny ôlogna iré mpaminagny zay nihaigny talôhanaré.13Anaré no siran'ny tany. Fô Kô sira no tônga matsatso, amin'ny fômba akôry no ampasira zégny Koà? Tsy ho tsara na amin'ino na amin'ino intsony izégny fô hariagna sy hidiavin'ny ôngotr'ôlogno tavèla. 14Anaré no fahazavagnan'jô tontôlo zô. Ny tanàgna miôrogna aké amin'ny ambôny dia tsy azo havony eky.15Tsisy ôlogno mamelogna jiro kè manambèla izégny agny ambany hellitry, fô aké amin'ny fipitrahan- jiro, ké magnazava ny jiaby akô an-dragno zégny. 16Ôka mbô hazava aké alôhan'ny ôlogna karan'jegny fômba zégny ny fahazavagnanaré mbô ahitan'jaré ré ny asa tsara atônaré ké ankalazany Rainaré zay agny an-dagnitry.17Aza misaigny hoe tônga handrava ny lalàgna na iré mpaminagny Zaho. Tsy tônga hamotika iré Zaho, fô hagnatintôsa ananjy iré. 18Fô volagniko marigny aminaré fô mandra-pahalelognon'ny lagnitry sy ny tany, de tsy ho foagna amin' ny lalàgna na de litèra araiky sy tendron-tsôratra araiky aza, mandra- pahatantèraky ny raha jiaby.19Nôho izégny na izôvy na izôvy mandika na de ny hely foagna amin' iré didy iré sy mampianatra ny hafa agnano karan-jegny de ho antsôigna hoe hely kokoà akô amin'ny fanjakagnan'ny lagnitry. Fo na izôvy na izôvy magneky sy mampianatra iré de ho antsôvigna hoe maventy akô amin'ny fanjakagnan'ny lagnitry. 20Fô volagniko aminaré fô kô tsy mihoàtra noho ny mpanôra-dalàgna sy ny fariseo ny fahamarignanaré, de tsy hiditry akô amin'ny fanjakagnan'ny lagnitry mitsy anaré.21Efa regninaré fo voalaza tamin'jaré ré talôha hoe: 'Aza mamono ôlogna,' ké 'Na izôvy Na izôvy mamono ôlogno dia ho helohigna agny amin'ny fitsaragna.' 22Fô volagniky aminaré fô zay jiaby vignitry amin'ny ralahiny de manjary ny ho helohigna agny amin'ny fitsaragna; ary na izôvy na izôvy mivôlagna ny ralahiny hoe: 'Anô de ôlom-poagna!' de ho helohigna agny amin' ny filanan-kevitry; ary na izôvy na izôvy mivôlagnna hoe: 'Fôka anô!' de manjary ny ho agny amin'ny toèragna mirehitry afo.23Nôho izégny Koà manolotro ny fagnatitra aké amin' ny alitara anô kè tsaroanô také fô managna alahelo aminô ny ralahinô, 24de ambilay aké alôhan' ny alitara ny fagnatitranô, kè mandihana tohizo ny lalagnanô. Mihavàna amin'ny ralahinô aloha, ary avaké mihirègna dia atoloro ny fagnatitranô.25Mihavàgna malaky amin'ny mpiampanga anô Kô mbôla miara-dià aminanjy agny amin'ny fitsaragna anaré, sôde ny mpiampanga anô hanôlotra anô amin' ny mpitsara, ké ny mpitsara mety hanôlotro anà amin' ny manam-pahèfagna, kè hatô akô an-dragno mahizigna anà. 26Volagniko marigny aminaré fô tsy ho afaka mivoaka aô lasiteo anô mandra-mpagnifagna ni vôla faran'ny hely kokoà amin'ny trosanô27Èfa régninaré fo volagnigny hoe: 'Aza mijangajanga.' 28Kanèfa volagniko aminaré jiaby fo zay mizaha viavy kè magniry ananjy de èfa mijangajanga takô am-pôny sahady.29Izy Koà magnafitoagna anà ny masonà ankavanagna, de alà izégny ké atsipazo lavitra anô. Fô tsara kokoà ho anô kô ny ampahany araiky amin'ny vatagnanô no tôkony ho arategny fô tsy ny tègnanà jiaby no atsipy agny amin'ny helo. 30Izy koà magnafitoagna anà ny tagnanô ankavanagna, de tapaho ké atsipazo lavitry hiala aminô. Fô tsara kokoà ho anô kô ny ampahany araiky amin'ny vatagnanô no tôkony ho very fo tsy ny tègnanà jiaby no atsipy agny amin'ny helo.31Ary èfa nivolagnina foagna koà hoe: 'Na izôvy na izôvy misaraka amin'ny vadiny, de ôka izy hagnamia ananjy ny taratasy fisaraham-panambadiagna.' 32Fô Zaho ndraiky mivôlagna aminaré fô zay jiaby misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy nôhon'ny fijangajangagna, de mampijangajanga ananjy. Na izôvy na izôvy manambady ananjy afaran'ny fisarahany de mijangajanga.33Ary Koà, regninaré fô voalaza tamin'ny taolo hoe: 'Aza misangisangy fianianana diso, fô indeso aké alôhan'ny Tompo ny fianiagnanô.' 34Fô zaho ndraiky mivôlagna aminaré, aza misangisangy amin'ny raha jiaby, na amin'ny lagnitry aza, fo sezy fiandrianan'Andriamanitra izégny; 35na amin'ny tany, Jerosalema, fô tanàgnan'ny mpanjaka bé izégny.36Aza misangisangy amin'ny lôhanô, fo tsy afaka magnafotsy na magnamagnitry ny singan-drandragna araiky anô. 37fô oka ny koragnanô ho, 'Ya, ya,' na 'Ahe, ahe.' Zegny mihoatra jegny dia avy amin'ny lay ratsy.38Regninaré fôvoateny hoe: 'Maso sôlon'ny maso, ary nify sôlon'ny nify.' 39Fô Zaho ndraiky mivôlagna aminaré hoe, aza manôhitry zegny tsimanjary. Fô ndraiky, na izôvy na izôvy magnambèla ny fifinô ankavanagna dia amiazo ananjy koa ny hilany.40Ary koa misy ologno magniry ny hiaraka aminô handèha akagny amin'ny fitsaragna ké mandrava ny akanjonô, dia ambilay ho ananjy koa ny lambanô. 41Na zôvy na zôvy manery anô handëha kilomètatra arèky, mandihana miaraka aminanjy amin'ny roe kilomètatra. 42Amia zegny mangaho aminô ary aza mandà na izôvy na izôvy magniry ny hindragna aminà.43Efa regninaré fô voavôlagna hoe: 'Tsy maintsy mankatia ny mpiara-mihaigny aminaré anaré ary mankalaza ny fahavalonaré.' 44Fô volagniko aminaré, tiavo ny fahavalonaré ary mivavaha ho anjègny magnenjiky anaré, [Fagnamarihigna: Ny dikan- teny talôha tsara kokoa dia magnala ny hoe: ""Misôra iré zegny magnozogno anaré, magnanova ny tsara amin'iré zegny tsy mankatia anaré.''''] 45mbô ho tonga zanaky Babanaré zegny agny an-andagnitry anaré. Fô Izy dia mampiboaka ny masõvany amin'ny tsimanjary sy ny manjary, ary mandatsaka ny malegny amin'ny marigny sy ny tsy marigny.46Fô koa iré zegny tia anaré no tiavinaré, ino no valisoa azonaré? Mô na dia ny mpamôry hètra aza tsy mbô magnano karan'jegny koa? 47Koa ny ralahinaré raiky foagna no arabainaré, ino no mbô atônaré mihotra ny hafa? Mô na dia ny Jentilisy aza tsy mbô magnano karan'jegny koa? 48Nôhon' jegny dia tsy maintsy tantëraka naré, karaha ny fahatantirahan'ny Babanaré zegny agny an-dagnitry.

Chapter 6

1Mitandrema mbô tsy hagnano ny asan'ny fahamarignanaré aké agnatrehan'ny ôlogna anaré mbô hitanjaré, fô izikoa tsy zégny de tsy hahazo ny valisoa avy amin'ny babanaré zegny agny an-danitra. 2Nôho izegny kôfa maneho fihantragna anaré, de aza mitsoka trompera mitaogno ny hafa hanaraka ny ataon'ny mpiatsara velatsy akagny amin'ny signagoga sy akagny amin'ny lalagna, ké mbô mety hahazo ny fideran'ny ôlogna zaré ré. volagniko marigna aminaré fô zaré réde efa nandray ny valisoany.3Fô kôfa maneho fiatragna anaré, aza atao hain'ny tagnanaré havia zegny ataon'ny tagnaré havanagnä, 4ké mbô hamiagna mangingigna ny fagnomezanaré. Avy aké ny Babanaré izegny mahita amin'ny mangingigna no hamaly soa anaré.5Kôfa mivavaka anaré, aza magnano karaha ny mpiatsaravelatsihy, fô zaré ré tia mijoro sy mivavaka aké amin'ny sinagoga sy akeo amoron-dalana, ké mbô mety ho hitan'ôlogna. Volagniko marigna aminaré, fô zaré ré de efa nadray ny valisoany. 6Fô anaré kôfa mivavaka, midira akô amin'ny efi-tragnonaré. Afodio ny tamiagna, de mivavaha amin'ny Babanaré izay akô amin'ny mangingigna avy aké ny Babanaré izay mahita akô amin'ny mangingigna no hamaly soa anaré. 7Kôfa mivavaka anaré aza managno koragna maro tsy misy ilaigna ananjy karaha ny ataon'ny Jentilisa, ny amin'ny fiheverany fô ho regny izy iré nohon'ny koragna maro izay ataony.8Noho izegny, aza magnano karaha an-jaré ré, fô ny Babanaré dé efa mahay zegny raha ilainaré alohan'ny angatahanaré Aminanjy. 9Noho izegny mivavaha karanjao hoe: 'Babanay zay agny an-danitra ho hamasignina anie ny agnaranô. 10Ho tônga ane ny fanjakanô. Hatao ane ny sitraponô aketo an-tany karaha ny agny andagnitra.11Amia anay niany ny hanigna fanôka ho anay. 12Mamelà ny helokanay, karaha ny hamelanay zegny meloka taminay. 13Ké aza mitôndra anay amin'ny fakam-pagnahy, fô magnafaha anay amin'ny ratsy.''' [Fagnamarihagna: Ny dikateny talôha tsara indrindra de magnala ny hoe: ''Fa Anao ny fanjakagna sy ny hery ary ny vogninahitra mandrakizay. Amen.'']14Fô izikôa mamela ny hadisoagnan'ny ôlogna anaré, de hamela anaré ndraika koa ny Babanaré zay agny an-dagnitra. 15Fô izikôa tsy mamela ny hadison-jaré ré anaré, de tsy hamela ny hadisoagnanaré kôza ny Babanaré.16Ankoatra zegny, kôfa mifady hanigna anaré, aza magnatoro tarehy mampalahelo karaha ny atôn'ny mpiatsaravelatsy, fô magnano ratsy tarehy zaré ré ké mbô mety ho hitan'ôlogna fô tegna mifady hanigna. Volagniko marigna aminaré, fô efa nandray ny valisoan-jaré zaré. 17Fô anô kôfa mifady hanigna, hisôro menaka ny lohanô avaké sasao tarehanô, 18ké mbô tsy ho hitan'ôlogna hafa fô mifady hanigna, fô amin'ny Babanao izegny akô amin'ny mangingigna foagna; ary ny babanô zay mahita akô amin'ny mangingigna no hamaly soa anô.19Aza mikajy ny haregnanaré aketo an-tany, izay simbain'ny kalalao sy harafesigna, ary hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ké hangalatra. 20Fô kôza, kajio ny haregnanaré akagny an-dagnitry, izay tsy haratran'ny kalalao sy harefesigny, ary tsy hidiran'ireo mpangalatra ankeriny ké hangalatra. 21Fô izegny misy ny haregnanô, no hidokoan'ny fônao ndraika koa.22Ny maso no jiron'ny vatagna. Noho izegny, koa tsara ny masonà, de ho feno fahazavagna ny vatagna jiaby. 23Fô izikôa ratsy ny masonà, de ho feno haizigna ny vatagnanà jiaby. Noho izegny, izikoa maizigna ny fahazavagna izegny akô angnatinà amin'izao, magnano akôry ny habezan'ny izegny haizigna izegny! 24Tsy misy afaka hanompo tompo aro, fô hankahala ny araiky izy ary ankatia ny araika, izikoa tsy izegny hanolotegna ho an'ny araika ké hankahala ny araika hafa. Anô de tsy afaka hanompo an'Andriamanitra sy ny haregna.25Noho izegny volagniko aminaré, aza miahy momba ny aigninaré, izegny hohaninaré na izegny hosotronaré na mômba ny vatanaré, fô tsy maventy noho ny hanigny mé ny fiaignana, ndraiky ny vatagna koa maventy noho ny fitafigna? 26Zahavo iré vôrogno agny amin'ny habakabaka Izy iregny de tsy mamafy na mijinja na manangona akô antsompitry, fô ny Babanaré izegny agny andanitra no mamahana anajy ireny. Tsy sarobidy kokoa mihoatra iregny mé anaré?27Izôvy aminaré no afaka magnampy refy araiky amin'ny andro hiaignany amin'ny fagnahiagna? 28Nagnino anaré no misaintsaigna momba ny fitafiagnanaré? Saigno ny momban'ny lilia egny amin'ny saha, karaha akory ny fanirianjare regny. Tsy mbo miasa zare regny, ary tsy mamoly fitafiagna. 29Volagniko marigny aminare, fô na i Solomona aza amin'ny voninahiny jiaby de tsy nitafy karaha ny araiky amin'iregny.30Izikoa ampitafian'Andriamanitra karaha izegny ny hahitra agny an-tsaha, izay jiaby misy iniany sy amaraigna de hatsipy ao am-patagna, karaha akôry no ampitafiagny anarè bebe kokoa, anaré ry hely finoagna? 31Noho izegny aza miahiahy ké mivolagna hoe: ino no hohaninay na hoe: 'Ino no hinominay?' na hoe: 'Ino ny hitafinay ho atônay?'32Fô iré Jentilisa mitady iré raha iré, ary ny babanaré izay agny an-dagnitra de mafantatra fô mila iré anaré. 33Fô tadiavo alôha ny fanjakany sy ny famarinany de hamiany anaré iré raha iré. 34Noho izegny, aza miahiahy ny amaraigny, fô ny amaragny hagnahy ny aninanjy. Ampy ho an'ny andro tsiraikiraiky ny ratsy ao aminanjy.

Chapter 7

1Aza mitsara, dia tsy hitsaraigny anaré. 2Fô amin'ny fitsaragna natonaré, no hitsaragna anaré, ary amin'ny fandrifèsagna andrifèsanaré, no handrifèsagna anaré.3Nagnino anö no mizaha ny singa- mölôlô hely zegny aka agnatin'ny mason'ny ralahinô, nèfa tsy voatsikèranô ny andry ako agnaty masonà? 4Akory no hivolagnanö ny ralahinô hoe: 'Ambila zaho hagnala ny singa-molölö zegny aka agnaty masona', koa mbola aka agnatin'ny masonà lay andry? 5Ry mpitsaravelatsy! Ala alöha ny andry zegny aka agnaty masona, ary avaké ana hahita tsara kofa magnala ny singa-molölö zegny ake amin'ny mason'ny ralahinô.6Aza amiagna ny amboa zegny masigny, ary aza atsipy ake alôhan'ny lambo ny vatomahitanaré. Koa tsy zegny dia mety ho voadiany ny tongonjaré, ary avaké hifötotro sy hamiravira anaré amin'ny fahapotehigny.7Mangahoa, dia amiagna anaré zegny. Mizahava, dia hahita anaré. Konkogno, fo hisokatra ho anaré zegny. 8Fo zegny mangaho jiaby, dia mahazo; iré jiaby zegny mizaha, dia mahita; ary ho an'ôlogno nikonkogno, dia ho sokafigny. 9Sa izovy aminaré, koa angahoan'ny zanany môfo, no hanölotro vato ananjy? 10Na koa kofa angahoany löko, kè hanölotro bibilava ananjy?11Noho jegny, kofa anaré zegny ratsy aza mahaÿ magnamia ire fagnomiazagna zegny tsara ho an'ny zanakaré, môa tsy be mihoatra mö ny raha tsara amian' ny Babanaré zegny agny an- dagnitra ho an'ire zegny mangaho aminanjy? 12No jegny, na ino na ino raha tianaré ho aton'ny ologno amin'ny tègnanaré, dia tökony hagnano kara jegny amin'jaré koa anaré, fo zegny no lalàgna sy iré mpaminagny.13Midira amin'ny vavahady tery. Fo maventy ny vavahady ary malalaka ny lalagna mitöndra agny amin' ny fahavirèzagna, ary maro ire ologno izegny mandèha amin'jegny. 14Fo tery ny vavahady ary sarotro ny lalàgna izegny mitariky mandèhagny amin'ny fiainagna, ary vitsy ire izegny mahita anjegny.15Mitandrèma amin'ire mpaminagny sandoko, zegny magnatogna anaré amin'ny fitafiagn'ôndry nèfa amboady tègna mpihaza. 16Amin'ny alalan'ny vihiny no ahèzanaré ananjy iré. Misangotro voaloboko agny amin'ny fatsy mö ny ologno, na koa aviavy agny amin' ny songosongo? 17Mitövy amin'jegny, ny kakazo tsara jiaby dia mamoa vihiny tsara, fo ny kakazo ratsy dia mamoa vihiny ratsy.18Ny kakazo tsara dia tsy afaka ny hamoa vihiny ratsy, na koa ny kakazo ratsy dia tsy afaka mamoa vihiny tsara. 19Ny kakazo jiaby izegny tsy mamoa vihiny tsara dia tapahigny ary hatsimpy agny agnaty afo. 20Kè noho jegny, ho hènare zaré amin'ny alalan' ny vihiny.21Tsy ire jiaby zegny mivolagna Aminahy hoe: 'Tompo, Tompo', dia hiditry ny fanjakan'ny lagnitry, fo ire zegny magnano ny sitrapön'ny Babako zegny agny an- dagnitry foagna. 22Maro ire ologno hivolagna aminahy amin'jegny andro izegny hoe: 'Tompo, Tompo, tsy èfa naminagny tamin'ny agnaranô mö zàhay, tsy èfa mamoaka ire devoly tamin'ny agnaranô, ary nagnano ire asa maventy tamin'ny agnaranô?' 23Avake Zaho hagnambara amin'jaré ampahibemaso hoe: 'Tsy nahaÿ anaré mitsy Zaho! Mialà lavitry Zaho, ry mpagnano ratsy!'24Noho jegny, ire jiaby zegny maregny ny koragnako ary magnekian'jegny dia ho karaha ny ologno hendry zegny namorigny tragnony agny ambony vatolampy. 25Nilatsaka ny oragna, tonga ny tondra-drano, ary nifôfofôfo sy namango lay tragno ny rivotro, fo tsy lavo izegny, satria namboarigny take amböny vatolampy.26Fo jiaby zegny maregny ire koragnako kè tsy mankatoa ananjy iregny dia karaha ny ologno adala zegny magnamboatra ny tragnony agny amböny fasiky. 27Nilatsaka ny oragna, tönga ny tondra-drano, ary nifôfofôfo sy namango lay tragno ny rivotro, kè dia lavo izegny, ary feno ny faravagna."28Ary kôfa avy nagnambara ire koragna ire Jesosy, talanjogno tamin'ny fampianarany ire vahoaka, 29satria nampianatra anjaré karaha ny ologno zegny managna fahifagna Izy, fo tsy karaha ire mpanöra- dalàgnan'jaré.

Chapter 8

1Izy kôfa nandrôrogno avy tagny an-tendrombohitra Jesosy, ôlo maro nizohy Ananjy. 2Egy nisy boka araiky nagnatogno Ananjy nitsaoka talôhany take, nagnano hoe: "Tompo, koā ikenà, dia afaka magnady anahy anà." 3Nagnatsôtro tagnany Jeosy kè nikitika ananjy, nagnano hoe: "Ikeky. Mahadiova." Takeke dia nady tamin'ny habokagnananjy izy.4Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Aoka mbô tsy hivôlagna na ino na ino na amin-jôvy na amin-jôvy anà. Mandihana amin'ny lalagnanà, kè atôvo hitan'ny mpisõrogno ny tègnanà kè manolôra fagnatitry zègny nagnasan'i Mosesy, mbô ho fijoroagna vavôlombelogno amin-jaré."5Izy kôfa niditra taka Kapernaomy Jesosy, dia nagnatogno Ananjy kapitény araiky kè nagnontany Ananjy, 6nagnano hoe: "Tompo, matôry aka an- dragnoko mpiasako fô malemy kè aka agnatin'ny fanaitaignana mafy." 7Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Ho avy agny Zaho hè sitragniky izy.8Namaly lay kapitény kè nagnano hoe: "Tompo, tsy manjary idiranà aby amban'ny tafon-tragnoko, fô mivolagna fôgna dia mahivagna ny mpiasako. 9Fô zah tô koa mbô lilahy napètraka ambany fahifagna, kè managna miaramila zègny bokoeko zah. Mivôlagna amin'ny raiky zah hoe: 'Mandihana', dia mandèha izy, avake amin'ny raiky hafa koa hoe: 'Avia', dia magnatogno izy avake amin'ny mpiasako hoe: "Atôvy zô dia atôny zegny." 10Kôfa regnin'i Jesosy zégny, dia gaga Izy kè nikoragna tamin-jaré zègny nagnaraka Ananjy hoe: "Koragniko aminaré tègna marigny, fô mbôla tsy nahita ôlo nanam-pinoagna karan-jagny Zah taketo Israely.11Koragniko aminaré, fô maro ny avy agny antsignianagna ndraky avy agmy andrèfagna ho tônga, avy zaré de hipètraka aké an-databatra miaraka amin'i Abrahama, Isaka ndraiky Jakoba, agny amin'ny fanjakan'ny lagnitry. 12Fô iré zanaky ny fanjakagna dia hatôraka agny ivèlan' ny hizigny lavitry akagny, zègny hisy fitomagniagna ndraiky fikatroha-nify." 13Ahozy Jesosy tamilay kapitèny hoe: "Mandihana! Araka ny ninoanô, dia oka zègny ato ho anô." Tônga dia nahivagna tamin'zègny lèra zagny mintsy lay mpiasa.14Kôfa nitsôfotra tan-dragno i Petera ndraiky Jesosy, dia nahita ny rafôzambavin'i Petera natôry tratra tazogno. 15Nikasihin'i Jesosy ny tagnany, kè afaka taminanjy ny tazogno. Dia nitsangagna izy nagnamia hanigna Ananjy.16Kôfa tônga ny aligny, dia maro iré nifihezin-jigny nindôsin'ôlo take amin'i Jesosy. Nandroaka iré fagnahy tamin' ny teny Izy kè nagnasitragna iré jiaby zègny tsy salama. 17Karan-jègny nahatantèraka zègny nikoragnina tamin'i Isaia mpaminagny, magnano hoe: Izy vatantègnany nitôndra ny tsy fahasalamantsika ndraiky nitôndra iré aretignantsika."18Izy kôa èfa hitan'i Jesosy iré fôkon'ôlo nagnodidigna Ananjy dia ngnamia hevitry, mbô nialagna tampita ny ranomasigna Galilia Izy. 19Avy take ny mpanöra-dalagna araiky nagnatogno Ananjy nagnano hoe: "Ry mpampianatra, hagnaraka anô zah na akaiza na akaiza andihananô." 20Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Ny amboahôlo manan-davaka, ary iré vôron-dagnitry managna ankany, fô ny zanak'Ôlogno tsy managna na akaiza na akaiza ampandriany lôhany.21Araiky hafa tamin-dre mpianatra nivolagna taminanjy hoe: "Tompo, ambilay zah malôngany andèa kè andévigna ny babako. 22Fô ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Mgnaraha Anahy, kè ambilay ny maty andevigna ny maty akö aminanjy manôkagna."23Kôfa nitsôfotro takô an-tsambo hely raiky Jesosy, dia nagnaraka Ananjy tagnatiny taka ire gaognananjy. 24Egy, nisy tafio drivotra maventy niboaka take amin' ny ranomasigna, ke safotr'onja ny lakagna. Fô resin- tôry Jesosy. 25Nandea taminanjy ire gaognany kè namôha Ananjy nagnano hoe: "Avöto antsika, Tompo, ho faty antsika!"26Ahozy Jesosy tamin-jare hoe: "Magnino anare matahotro, ry hely finoagna?" Dia nitsangana Izy avy take nivölagna mafy tamindrivotra ndraiky ranomasigna. Dia nisy fitoniagna be avy take. 27Gaga ire gaogno kè nivölagna hoe: mbô karazagna lilahy ino itô, fô samba rivotro sy ranomasigna aza magneky Ananjy?28Kôfa tônga tagny ampita ndraiky tamin'ny tanagna Gadarenesy Jesosy, dia nisy gaogno roe zegny nifihezin-jigny nitaôtro Taminy. zaré ré dia niboaka avy agny amin'iré fasagna ary tègna nagnadary, avy tamin' jagny dia tsisy mpandèha afaka zègny lalagna zagny. 29Egy nigahiky tatô izy re kè nagnano hoe: mpifagnino marö zahay anà, ry Zanak'Andriamanitra? Tônga aketo mö Anô hampihôrohôro anäy alôhan'ny fotoagna voatôndro?"30Kè nisy andian-dambo maro nihinagna take, tsy lavitra an-jare. 31Mbôla niangavy an'i Jesosy foagna ire jigny kè nagnano hoe: "Kô mandroaka anäy Anô, dia alifaso akö agnatin'ire andian-dambo ire zahay." Ahozy Jesosy tamin-jaré hoe: "Mandihana!" 32Dia niboaka ire jigny kè nitsôfotro tamin'ire lambo ire; egy ire andiana jiaby nifindra nandrôrogno ny tendrombohitra nibiribiry akagny an-dranomasigna kè maty takö agnaty rano zare.33Ire zégny niambigna ny lambo nihazakazaka kè nandëha amin'ny tanàgna zare nitantara raha jiaby, kè indrindra zegny raha nisy tamin'ire gaogno nifihezin- jigny. 34Egy, niboaka zare tantanagna jiaby mbô hitrotro amin'i Jesosy. Köfa hitan-jare Izy, dia nangataka Ananjy mbô hiala amin'ny faritanin-jare.

Chapter 9

1Niditra takô an-tsambohely Jesosy, niampita, ké tônga takô amin'ny tanagnany. 2Indré, nisy lalahy mararin'ny paralisisa nandry také am-pandriagna nindosin-jaré ré také Aminanjy. Kôfa nahita ny finoangan-jaré ré, dé aozin'i Jesosy tamin'ilay lalahy mararin'ny paralesisa hoe: ''Anaka, aoka ianao hifaly. Efa vôvela ny helokanà.''3Indré, ny sanany tamin'iré mpanora-dalagna nagnano anakampô hoe:'' Miteny ratsy io lalahy io.'' 4Hain'i Jesosy raha isaintsainin-jaré ré ké nivôlagna hoe: ''Nagnino anré no mieritreri-dratsy akô am-pô naré? 5Fô zôvy no môramôra kokoà no mivôlagna anjy hoe: 'Voavela ny helokanà,' sa ny mivolagna hoe: 'mitsangàna ké mandihana?' 6Fô mbô ho fantanaré fô ny zanak'ôlogno dé managna fahefagna hamela heloko aketo ambônin'ny tany,...'' aoziny Izy tamin'ilay mararin'ny paralisisa hoe: ''Mitsangàna, batêo ny fandriagnanà ké mandihàna agny an-tragnonà.''7Avy také nitsangana ilay lalahy ké nakagny an-tragnony. 8Kôfa nahita izegny ny foko nôlo, dé variaagna zaré ré ké nidera an'Ananriamanitra, zay nagnomia fahefagna karaha izegny ho an'ny ôlogno. 9ké kôfa niala avy také Jesosy, de nahita lalahy nantsoigny hoe Matio Izy, zay nantotry takeo amin'ny tragno ny famorian-ketra. Aozy taminanjy hoe: ''Magnaraha Anahy.'' Nitsangana izy ké nangaraka Ananjy.10Ké kôfa nantotry hihinagna takô an-tragno Jesosy, indré, mpamory hetra sy ôlogno maro tônga ké niaraka nihinagna tamin'i Jesosy sy ireo mpanatrany. 11kôfa nahita izegny ire Fariseo, de nivôlagna tamin'iré mpianatrany zaré ré hoe: ''Nagnino ny mpampianatra naré no miaraka mihinagna aminny mpamory hetra sy ny ôlogno mpanôta?''12Kôfa naharegny izegny Jesosy, de Aozy hoe: ''Ny ôlogno matanjaka ara-batana de tsy mila mpitsabo, fô ire izay marary foagna. 13Tôkony mandeha mianatra anaré ny dikan'ny hoe: 'Famindram-pô no iriko fô tsy sôrogno.' fô tônga Aho, tsy hagnantso iré marigny fô iré mpanota.''14Avy také nagnantogno ananjy iré mpianatran'i Jaona ké nivolagna hoe: ''Nagnino zahay sy iré fariseo no mifady hanigny matetika, fô iré mpianatra anà ndreky tsy mbô mifady?'' 15Aozy Jesosy taminjaré ré hoe: ''Mety alahelo mô iré havan'ny mpampakatra, kô mbola miaraka aké aminjaré ré ny mpampakatra? Fô ho avy ny andro hangalagna ny mpampakatra aké aminjaré ré, de amijégny zaré ré vô hifady hanigna.16Tsy misy ôlogno manampigna lamba tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa ny tampina handrôta ny lamba, ké hisy tritra ratsy lavitra.17Tsy misy ôlogno manisy divay vaovao akô anaty siny hoditra kôro. Kô magnano izegne zaré ré, de ho triatra ny siny hoditra, ho raraka ny divay ké ho potika ny siny hoditra. Fô kosa, zaré ré manisy divay vaovao akô anaty siny hoditra vaovao, ké ho voatahiry izy roé.''18Kô mbola nikoragna iré raha iré tamijaré ré Jesosy, de indré,nisy manam-pahefagna raiky tonga ké niankôhoko také aminanjy. Nivôlagna izy hoe: ''Naty zaho avaizo zao ny zanako viavy, fô tongava ké apetraho akeo aminanjy ny tagnanao, de ho velogna izy.'' 19Avy také nitsangana Jesosy ké nagnaraka ananjy, de nagnano karaizegny koa iré mpianatrany.20Indré, nisy viavy zay efa nandeha fadim-bolagna nandritra ny roa ambin'ny fôlo tôgno, nandeha tafaran'i Jesosy ké nikasiky sisin-dambany. 21Fô aozy tamin'ny tegnany hoe: ''Kôfa mikasika ny lambany foagna zaho de ho sitragna. 22''Fô nitodika Jesosy ké nahita ananjy, de nivôlagna hoe: ''Ry zanako viavy, mahereza; ny finoagnanà no nakahivagna anà. ''Ké nahivagna ilay viavy nanomboko tamin'io ora io.23Kôfa tônga tagny amin'ny tragnon'ilay manam-pahefagna Jesosy, de nahita iré mpitsoka sodina sy iré fokonôlogno nihoalahoala be Izy. 24De Aozy hoe: ''Mandihana, fô tsy naty ilay zaza viavy, fô mandry izy. ''Fô nimoehy ananjy tamin'ny fagnisoagna zaré ré.25Kôfa naboaka tivelany fokonôlogno, de niditra takao agnefitra Izy ké nandramby ananjy tamin'ny tagnany, ké nitsangagna ilay zaza viavy. 26Niparitaka nagneragna ny faritra jiaby ny vaovao momba izegny.27Ary kôfa niala také Jesosy, de nisy jamba roa lahy nagnaraka ananjy, tsy nijanogno nagnantso zarè sady nivôlagna hoe: ''Mamindrà fô aminay, ry zanak'i Davida!'' 28Kô fa tonga tantragno takô Jesosy, de nagnatogno ananjy iré lalahy jamba. Aozy Jesosy taminjaré hoe: ''Mino mô anaré fô mahay mangano izegny zaho? de aozy zaré taminanjy hoe: ''Ia, roe. ''29Avy také nikasihin'i Jesosy ny masonjaré ré ké nivolagna hoe: ''Ho tanteraka aminaré araka ny fignona naré ane zegny; 30Ké nahiratra ny masonjaré. Avy také Jesosy nadindy mafy anjaré ké nivilagna hoe: Aoka mbô tsy hisy ôlo ahay momba izao. '' 31fô nandeha zaré roa lahy ké nagnaparitaka ny vaovao momba izegny nagneragna izegny faritra zegny.32Ke kofa nandaha zareo roa lahy, de igny, nisy lalahy moä nipetrahana devoly nindosigny takeo amin'ny Jesosy. 33Ke kôfa nalagna i devoly igny, de nivolagna lalahy moä igny. Gaga ny fokonôlo ka nivolagna hoe: ''Tsy mbola avy ita hatrizay tamin'Israely zao!'' 34Fô hoy ireo fariseo hoe: ''Tamin'ny fanampahan'iré devoly, no nagnalany iré devoly.''35Nandeha nitety iré tanam-bé sy iré vôhitra jiaby Jesosy. Manohy nampianatra tagny amin'iré synagoganjaré Izy, nitory ny filazantsaran'ny fanjakagna, ary nagnasitragna ireo karazagn'aretigna jiaby sy iré sy karazagna faharariagna jiaby. 36Kôfa nahita iré fokonôlo Izy, de nanagna fangoraham-pô taminjaré, satria niahiahy sy kivy zaré. Karaha ny ondry tsy misy mpiandry zaré ré.37De aozy tamin'iré mpianany hoe: ''Fôntry ny vokatra, fô iré ampiasa no vitsy. 38Noho izegne mivavaha malaky amin'ny Tompon'ny vokatra, mbô andefasany mpiasa akagny amin'ny vokatrany.''
Chapter 10

1Nantsoin'i Jesosy niaraka iré mpianany roy ambin'ny fôlo ké nagnamia ananjy iré fahefagna amin'iré fanahy maloto, mbô handroahagna anjy iré, sy hagnasitragna iré karazan'aretigna sy karazagna faharariagna jiaby.2Ké itôny avy ny agnaran'iré apostoly roy ambiny fôlo. Ny voalôhany, Simona (zay antsôvigny foagna koà hoe Petera), ké Andreo rahalahiny; Jakoba zanaka lahin'i Zebede, sy Jaona rahalahiny; 3Filipo, sy Barteleomy; Tomasy,sy Matio ilay mpanangona hetra; Jakoba zanaka lahin'i Alfeosy, ké Tadeosy; 4Simeona ilay Zelota, ké Jodasy Iskariota, ilay hamadiky ananjy.5Naséhin'i Jesosy izy roa ambiny fôlo. Nagnatoro ananjy iré izy ké nivôlagna hoe: ''Aza mandeha agny amin'ny toeragna zay hipitrahan'ny Jentilisa anaré, ké aza miditra amin'ny renivohitr'iré Samaritana. 6Fô mandeha ndraiky agny amin'iré ondry very amin'ny taranak'Isiraely; 7ké kôfa mandeha anaré, de mandria ké ambarà hoe: 'Efa akaiky ny fahatôngavan'ny Fanjakan'ny lagnitra.'8Sitrano ny marary, atsangano ny naty, diovy iré boka, ké roahy iré demonia. Araka ny nahazoanaré maimaimpoagna, de magnomeza foagna koà maimaimpoagna. 9Aza mitôndra vôlamena, vôlafotsy, na varahigna akô amin'ny kitapom-bôlanaré. 10Aza mitôndra kitapom-batsy amin'izay alehanaré. na fitafy hafa, na kiraro, na tehigna, fô ny mpiasa de mendrika hahazo ny sakafony.11Na ino na ino tanàn-dehibe na tanàgna hely hidiranaré, tadiaova zay mendrika akô, ké mitoetra akô mandra-pialanaré. 12Kôfa vô miditra akô amin'ilay tragno anaré, de miarahabà ny akô. Kôfa mendrika lay tragno, de ôka ny fiadananaré ho tônga akô. 13Fô kôfa tsy mendrika ndraiky izégny, de ôka ny fiadagnanaré hiverigna aminaré.14Ho an'iré zay tsy mandray anaré na tsy mihaino ny koragnanaré, de ahintsagno ny vôvôka amin'ny tongotraré, kôfa miainga amin'izégny tragno na tanàn-dehibe izégny anaré. 15Volagniko marigna aminaré, fô ho moramora kokoà ny an'ny tanin'i Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsaragna noho izégny tanàn-dehibe izégny.16Io, handeha anaré karaha ny ondry aké afovoan'ny ambodia Zaho, koà hendre karaha ny menaragna ké tsy manan-tsigny karaha ny voromailala. 17Mitandrema ny amin'ny ôlogna! Hagnolotra anaré aké amin'ny filan-kevitra zaré ré, ké hamango anaré akô amin'ny sinagoganjaré ré. 18Avaké de hindosigna magnoloagna ny governora sy ny mpanjaka anaré nohon'ny Aminahy, mbô ho vavôlombelogna ho ananjy iré sy ho an'iré Jentilisa.19Kôfa manolatra anaré zaré ré, de aza managna ahiahy ny amin'ny hoe akôry na ino no ho lazainaré, fô hagnamia anaré amin'io lera io zay tôkony ho koragnina. 20Fô tsy anaré no hikoragna, fô ny Fanahin'ilay Rainaré no hivôlagna akô aminaré.21Ny rahalahy de hanolotra ny rahalahy ho amin'ny fahafatesagna, ké ny raiky de ny zanany. Ny zanaka de hitsangagna hanohitra ny ray aman-dreniny ké hahatônga ny fahafatesanjaré ré. 22Hô halan'ny ôlo-jiaby anaré nohon'ny amin'ny agnarako. Fô na zôvy na zôvy miharitra hatramin'ny farany, de ho voavonjy izégny ôlogna izégny. 23Kôfa magnenjika anaré akô amin'io tanàn-dehibe io zaré ré, de mandosira agny amin'ny magnaraka, fô koragniko marigna aminaré, fô tsy hahatapitra iré tanàgnan'Israely mialôhan'ny hatôngavan'ny Zanak'ôlogna anaré.24Ny mpianatra de tsy maventy noho ny mpampianatrany, na ny mpanompo ho ambôny noho ny tompony. 25Ampy ho an'ny mpianatra kôfa tonga karaha ny mpampianatrany izy, ké ny mpanompo karaha ny tompony. Kôfa antsoinjaré ré hoe Belzeboba ny tompon'ny tragno, de ho ratsy lavitra karakôry iré agnaragna hagnantsôvanjaré ré ny isam-piankohonagna!26Noho izégny aza matahotra anajy ré, fô tsy hisy takogna zay tsy hiseho, ary raha-mivony zay tsy ho fantatra. 27Zay koragniko anaré akô amin'ny haizigna, de volagno amin'ny andro mazava, ké zay bitsibitsika regninaré amin'ny tadigninaré, de torio egny ambôny tampôn-tragno.28Aza matahotra an'iré zay mamono ny vatagna kanéfa tsy afaka mamono ny fanahy. Fô ndraiky, matahora an'izay afaka mamotika ny fanahy sy ny vatagna agny amin'ny helo. 29Moa vô tsy vôla madinika hely no hamarotagna fody roy? Fô tsy mbôla misy na araiky aminjaré ré aza mianjera amin'ny tany kôfa tsisy ny fahalalan'ny Rainaré. 30Fô na ny volon-dôhanaré aza voaisa avokoa. 31Aza matahotra. Manan-danja bebe kokoà noho ny fody maro anaré.32Noho izégny zay jiaby manaiky Anahy aké agnatrehan'ny ôlogna, de ho ekeko foagna koà aké agnatrehan'ny Raiko zay agny an-dagnitra. 33Fô zay mandà Anahy aké agnatrehan'ny ôlogna ndraiky, de ho laviko foagna koà aké agnatrehan'ny Raiko zay agny an-dagnitra.34Aza mieritreritra fô zaho de tônga hitondra fiadanagna akéto an-tany. Tsy tônga mbô hitondra fiadanagna Zaho, fô sambatra. 35Fô tônga zaho hagnasaraka ny zanaka lahy amin'ny babany, sy ny zanaka viavy amin'ny reniny, ké ny vinantovavy amin'ny rafozam-baviny. 36Iré zay akô an-tôkantragnony foagna no ho lasa fahavalon'ny ôlogna.37Zay tià kokoà ny babany na mamany mihoatra Anahy de tsy mendrika Anahy; ary zay tià kokoà ny zanaka lalahy na ny zanaka viavy mihoatra Anahy de tsy mendry Anahy. 38Zay tsy mandray ny kakazo fijaliagnany ké magnaraka Anahy tsy mendrika Anahy. 39Zay mamonjy ny ainany de hahavery izégny. Fô zay mahavery ny ainany noho ny aminahy de hahita izégny.40Zay mandray anaré de mandray Anahy, ary zay mandray Anahy de mandray lay nagniraka anahy foagna koà. 41Zay mandray ny mpaminany satrià mpaminany izy de hahazo ny valisoan'ny mpaminany, ary zay mandray ny ôlo-marigna satrià ôlo-marigna izy de hahazo ny valisoan'ny ôlo-marigna.42Na zôvy na zôvy magnamià ny araiky amin'iregny madinika indrindra iregny, na de rano mangatsiàka indraika ny tasy ho sotroigna aza, satrià izy mpianatra, de volagniko marigna aminaré fô, tsy ho very ny valisoany.''
Chapter 11

1Izy kôfa avy nampianatra iré mpianany roa ambin'ny fôlo Jesosy, avy také izy nandeha hampianatra sy hitory agny amin'ny tagnananjaré ré. 2Izy kôfa regnin'i Jaona takô am-pigadraga ny mômba iré asan'i kristy, de nagnandefa hafatra tamin'ny alan'iré mpianany izy 3ké nivolagna ananjy hoe: "Anà mô ilay araiky ho avy, sa tôkony hizaha hafa zahay?''4Jesosy namaly ké nivolagna ananjaré hoe: ''Mandehana ké volagno amin'i Jaona izay hitanaré sy regninaré.'' 5Mahazo fahitagna iré jamba mandéha iré ôlogno malemy, diovigny iré boka, maharegny indraiky iré ôlogno maharegnina, atsangan-ko velogno iré ôlogno Naty, ary agnambaragna iré vaovao mahafaly ny mahantra. 6Sambatra izay tsy tafitohigny noho ny Aminahy.''7Kôfa nandeha tan-dalagna iré lalahy iré, de nanômboka nivôlagna ny mômba an'i Jaona tamin'iré fôkonôlo Jesosy hoe: ''Hitady ino no nifoahanaré avy tagny agn'efitra-volotara tsofin'ny rivotra?8 Kanéfa hitady ino no nifoahanaré lalahy nagnatao fitafy lafo vidy? Indré, iré izay nagnatao fitafy lafo vidy de mipetraka akô an-tragnoniré mpanjaka.9Kanéfa hitady ino no nifoahanaré-mpaminagny? Ia, mivolagna aminaré Zaho, zay mihoatra lavitra noho ny mpaminagny. 10Izy ilay vôasôratra hoe: 'Zahaovo, magnasa ny irako hialôha ny vajihinaré Zaho, izay hagnomagna ny làlanaré mialôha anaré.'11Volagniko marigny aminaré, fô amin'iré izay natéra-biavy de tsisy maventy mihoatra noho Jaona mpagnano batisa. Kanéfa ny ôlogno tsy manan-danja indrindra aké amin'ny fanjakany lagnitra de maventy noho izy. 12Nanômboka tamin'ny andron'i Jaona mpagnano batisa ké hatramin'izao, de miaritra amin'ny herisetra ny fanjakan'ny lagnitra, ary iré ôlogno mahery setra de malaka ananjy an-keriny.13Fô iré mpaminagny jiaby sy ny lalàgna de efa naminagny hatramin'i Jaona; 14izy koa sitrakaré ny hagneky izegny, de Izy ilay Elia ho avy. 15Izay manan-tadigny ho enty-mitandregny, oka izy hitandregny.16Karakôry no tôkony hagnoarako itô taranaka itô? Izegny de karaha ny zaza midôla egny amin'ny bazary, izay mipetraka sy mifagnatsognantso 17ké mivolagna hoe: 'Nitsoka sodigna ho anaré izahay, fô tsy nandihy anaré. Nagnano hira fisaonagna zahay, fô tsy nitomagny anré.'18Fô Jaona de tsy tônga hihinagna môfo na ihinagna divay, ké aozy zaré ré hoe: 'Managna devoly izy.' 19Ny zanak'ôlogno de tônga hihinagna sy hisotro kè aozy zaré ré hoe: 'Zahavo, lalahy tendan-kanigna sy mpimamo izy, naman'iré mpamory hetra sy iré mpanota!' Fô ny fahindriagnany de voamarigny tamin'iré asany.''20Avy také Jesosy nanomboka nivolagna mafy iré tanagna izay nagnanaovany ny akamaroan'ny asany mahagaga, satria tsy nibebaka izy iré. 21"Loza ho anaré ry Korazina! Loza ho anaré, ry Betsaida! Kô natao tagny Tyra sy Sidona iré asa mahagaga izay natao teto aminaré, de efa ela no nibebaka tamin'ny lamba fisaonagna sy jofo izy iré. 22Kanéfa ho môramôra koka ny amin'ny Tyra sy Sidona amin'ny andron'ny fitsaragna mihoatra noho ny aminaré.23Anaré, ry Kaperinaomy, mihevitra mô anaré fô hasandratra agny an-dagnitra? Tsia, ho entigny hirorogno agny amin'ny helo anaré. Satria kô tagny Sodoma no natao iré asa mahagaga izay natao teto aminaré, de mbôla ho tavela izegny mandrak'iniany. 24Kanéfa mivôlagna aminaré Zaho fô ho môra tokoatra ho an'ny tanin'i Sodoma ny andron'ny fitsarana noho ny aminaré.''25Tamin'izegny fotoagna izegny Jesosy nivolagna hoe: ''Midera anâ zaho, Baba, Tompon'ny lagnitry ndraiky tany, satria Anà no nanitriky iré raha iré tamin'ny hendry sy ny mahafantatra, sady magnambara iré tamin'iré izay tsy mahafantatra, karaha iré zaza hely. 26Iah, ry Baba, satria izegny de mahafinaritra také imasonà. 27Ny raha jiaby nankignyna taminahy de avy amin'ny Babako; sady tsisy mahafantatra ny zanaka kôa tsy ny Baba ary tsisy mahafantatra ny Baba kôa tsy ny zanaka, sy izay fidin'ny zanaka hagnambaragna Ananjy.28Mandihana aminahy atô, anaré jiaby izegny miasa sy mitôndra, de hamiako fitsaharagna ianaré. 29Indôso ny ziogako ké mianara aminahy, fô malemy fagnahy sy manetry tégna am-pô zaho, de ahita fitsaharagna ho an'iré fagnahy naré anaré. 30Fô môra ny ziogako ary maivagna ny entako.''

Chapter 12

1Tamin'izegny fotoagna izegny Jesosy nandeha namakivaky ny hôraka tamin'ny sabata. Tihinagna iré mpianany ké nanampôgno nisangotra taho-mbary de nihinagna iré. 2Kanéfa noho ny hitan'iré Fariseo izegny, de aozin-jaré tamin'i Jesosy hoe: "Zahavo, iré mpianatranà magnano izay tsy ara-dalàgna ny magnano ananjy amin'ny Sabata.''3Fô Jesosy nivolagna ananjy iré hoe: ''Mbola tsy ary nivakinaré mô ny raha nataon'i Davida, kôfa tihinagna izy, sy iré lalahy jiaby niaraka taminanjy? 4Niditra takô amin'ny tragnon'Andriamanitra izy ké nihinagna ny môfon'ny fagnatrehagna, izay tsy ara-dalagna ho ananjy kôa hoaniny sady tsy ara-dalagna ho an'iré izay niaraka taminanjy, kanefa ara-dalagna ho an'ny lôhan'ny mpisôrogno araiky foagna.5Tsy mbôla nivakinaré mô ny akô amin'ny lalàgna, fô amin'ny sabata iré mpisorogno akô an-tempoly de manota ny sabata kanefa tsy manan-tsiny? 6Kanefa volagniko aminaré fô aketo ny araiky maventy noho ny tempoly.7Kôa fantatranaré ny hevitry ny hoe: 'Famindram-pô no iriako fô tsy sôrogno,' de tsy nagnameloko ny tsy manan-tsigny anaré. 8Fô ny zanak'ôlogno no Tômpon'ny sabata.''9Avy také Jesosy niala takô ké niditra takô amin'ny synagôgan-jaré. 10Indré, nisy lalahy izay malemy tagnana také. Nagnontany an'i Jesosy iré fariseo, nagnano hoe: ''Ara-dalàgna mô ny magnasitragna amin'ny sabata?'' Mbô hiampangan-jaré ré ananjy amin'ny fahotagna.11Aozy Jesosy tamin-jaré ré hoe: ''Ologno zôvy aké aminaré, izôvy, koa ondry araiky foagna no anagnany, ké koa latsaka agnaty lavaka laligny lé ondry amin'ny sabata, no tsy hanambotro ananjy ké tsy hampakatra ananjy? 12Tsy manan-danja mihoatra lavitry, mô, ny ôlogno noho ny ondry! Ké noho izegny de ara-dalàgna ny magnano soa amin'ny andro Sabata.''13Avy také aozy Jesosy tamin-dralalahy hoe: ''Amparo ny tagnanà.'' De namparigny izegny, ké niherigny ny fahasalamanagny, karaha ny tagnany hilagny. 14Fô nivoaka iré fariseo ké ny tetiky ny hamono Ananjy. Nizaha hevitry ny amin'ny fômba tôkony hamonoagna Ananjy zaré ré.15Kôfa nahafantatra izegny Jesosy, de niala také Izy. Ologno maro no nagnaraka Ananjy, ké nampahivagniny zaré jiaby. 16De nandidy anjaré ré Izy mbô tsy hagnatoro Ananjy amin'ny ôlon-kafa, 17mbô hahatanteraka, izay efa natoro tamin'ny alalan'Isaia mpaminagny, magnano hoe:18''Zahavo, ny mpanompoko zay nifidiky; ry lay malalako, zay tegna sitran'ny fagnahiko. Hapetrako akô aminanjy ny fagnahiky, ké hagnatoro ny fitsaragna amin'ny Jentilisa izy.19Tsy hifanditra na hagnantso mafy izy; ké tsy hisy ôlogno haharegny ny fehony egny an-dalàgna. 20Tsy hanapaka ny volotara tôrotôro izy; tsy hamono zay lahin-jiro magnemboko, mandra-pagnaovany ny rariny ho fandresegna, 21ké amin'ny agnarany no hanagnan'iré Jentilisa fagnantegnana.''22Avy také nisy ôlogno jamba sy moä, nipitrahan'ny demonia, nindosigny také amin'ny Jesosy. Nisitraniny izy, vokatr'izegny de nivolagna sy nahita lay moä. 23Gaga iré fokonôlo jiaby ké nivolagna hoe: ''Mety io lalahy io vô no zanak'i Davida?''24Kanefa kofa naharegny izegny fahagagagna izegny iré Fariseo, de aozin-jaré ré hoe: ''Io lalahy io de tsy mamoaka demonia koa tsy amin'ny Belzeboba, lehiben'ny demonia. 25''Kanefa fantan'i Jesosy ny eritreritran-jaré ré ké nivolagna ananjy ré Izy hoe: ''Ny fanjakagna jiaby miady an-dragno de tsy haharitry, sady ny tanàgna na tragno jiaby miady an-dragno de ho rava.26Koa mamoaka satana ny satana, de miady an-dragno izy. Akory noho izegny no hijoroan'ny fanjakagnany? 27Ke koa mamoaka iré demonia amin'ny alalan'i Belzeboba zaho, de amin'ny alalan-jôvy zegny no androahan'ny zanakaré ananjy ré? Noho zegny antony zegny de ho mpitsaranà zaré ré.28Kanefa koa mamoaka iré demonia amin'ny alalan'ny fagnahin'Andriamanitra zaho, de efa tonga aminaré ny fanjakan'Andriamanitra. 29Amin'ny fômba akôry no ahafahan'ny ôlogno miditry akô an-dragnon'ny lalahy mahery sady malaka iré fanagnany koa tsy tadiagna lay lalahy mahere? Avaké malaka iré fanagnany akô an-dragnony izy. 30Izay tsy mômba anahy de manohitsy anahy, ké zay tsy mitambatra miaraka aminahy de miparitaka.31Noho zegny volagniko aminaré fô, ho vôvela heloko ny ôlogno amin'ny fahotagna sy fivolagnan-dratsy jiaby, fô ny fivolagnan-dratsy amin'ny fagnahy Masigny de tsy hazahoagna famelan-keloka. 32Na zovy na zovy mivolagna manohitry ny Zanak'ologno, de ho vôvela izy. Fô na zovy na zovy mivolagna manohitry ny Fagnahy Masigny, de tsy ho vôvela izy, na amin'izao fiainagna izao, na amin'izay ho avy.33Ataovo tsara ny kakazo de hamoà tsara izegny, na ataovo ratsy ny kakazo de hamoà ratsy izegny, fo fantatra amin'ny vihiny ny kakazo. 34Anaré taranaka ny menaragna, satria ratsy fagnahy anaré, ké akory no afahanaré mivolagna raha tsara? Fô avy avy amin'ny habezan'ny akô am-po no ivolagnan'ny vavany. 35Ny ôlogno tsara avy amin'ny hariagna tsara akô am-pony de mamokatra zay tsara, fô ny olon-dratsy avy amin'ny hariagna ratsy akô am-pony de mamokatra zay ratsy.36Volagniko aminaré fô amin'ny andron'ny fitsaragna de ho agnontaniagna amin'ny koragna tsy voahevitry nikoragniny aby ny ôlogno. 37Fô ny koragnanà no hagnamarignana anà, ary ny koragnanà no hagnamelohagna anàré.''38Avy také nisy mpanora-dalàgna sy fariseo sanantsanany namaly an'i Jesosy ke nivolagna hoe: ''Ry mpampianatra, magniry ny ahita famantaragna avy aminà zehay. 39''Fô namaly Jesosy nivolagna ananjy iré hoe: ''Misy taranaka ratsy fagnahy sy mpijangajanga mitady famataragna. Kanefa tsisy famataragna amiagna ananjy afa-tsy ny famantaran'i Jaona mpaminagny. 40Fô karaha an'i Jonah zay telo andro sy telo aligny takô an-kibon-daoka maventy, de ho karaha izegny koa no hipitrahan'ny zanak'ôlogno telo andro sy telo aligny akô agnatin'ny tany.41Iré ôlon'i Ninive de hitsangagna aké amin'ny fitsaragna miaraka amin'itô taranaka itô ké hanameloka izegy. Fô nibebaka izy iré tamin'ny toritenin'i Jaonah, ké indré, misy ôlogno maventy noho Jaonah aketo.42Ny mpanjakavavin'ny atsimo de hiara-hitsangagna amin'iré lalahin'itô taranaka itô amin'ny andron'ny fitsaragna ké hagnameloko izegny. Tônga avy agny amin'ny faran'ny tany izy mbô haregny ny fahendregnan'i Salomona, ké indrè, misy ôlogno maventy noho Solomona aketo.43Kôfa nisy fagnahy ratsy niala takô amin'ny lalahy araiky, de mandalo tany karakaigny izy kè mitady fitsaharagna, kanefa tsy mahita izegny. 44Izegny de mivôlagna hoe: 'Iherigny agny amin'ny tragnoko zay nihaviako zaho. 'Ké nony tônga, de nahita fô voafafa ny tragno ké nilamigny. 45Avy také de nandeha izegny ké nitôndra fagnahy ratsy fito niaraka taminanjy zay ratsy mihoatra ananjy, ké niditsy nipetraka takô zarè jiaby. Avy také nahe-ratsy noho ny voalohany ny fiafaran'izegny lalahy izegny. Ké ho karaha izegny koa ny amin'itô taranaka ratsy fagnahy itô.''46Kô mbôla nivôlagna tamin'iré fokonôlogno Jesosy, de indré, ny mamany sy iré rahalahiny nitsangagna tagny ivelany, nitady hikoragna aminanjy. 47Nisy ôlogno araiky nivôlagna taminanjy hoe: ''Zahavo, ny mamanà sy iré rahalahinà nitsangagna akô ivelany, mitady hikoragna aminà.''48Fô namaly Jesosy ké nivolagna tamin'ilay nivolagna ananjy hoe: ''Izôvy no mamako ary zôvy iré rahalahiko?'' 49Avy také nampariny tamin'iré mpianany ny tagnany ké nivolagna hoe: ''Zahavo, indréto ny mamako sy iré rahalahiky! 50fô izay magnano ny sitrapôn'ny Raiko izay agny an-dagnitry, izegny ôlogno izegny no rahalahiky, sy anabaviky, ndraky mamako."

Chapter 13

1Tamin' izegny andro izegny Jesosy nandeha nivoaka ny tragno ké nipetraka také amoron'ny ranomasigny. 2Nisy fokonôlo maro nivory nagnodidigny anajy, ka de niditry tao an-tsambokely izy ké nipetraka tao amin'izegny, kofa nitsangagna teo amoron-dranomasigny ndreky ny fokonôlo jiaby.3Avy take Jesosy nivolagna raha maro taminjaré ré tamin'ny alalan'ny fagnoharagna. Hoy izy hoe: "Indré, nisy mpamboly araiky nandeha nivoaka hamafy voa. 4Kofa izy namafy igny, dé nisy voa sasany latsaka tamoron-dalagna, ké avy iré vorogna iré ké nihinagna iré. 5Iré voa hafa ndréky dé latsaka tamin'ny tany be vato, zay tsy nahazo iré nofon-tany tsara. Ke tonga de naniry iré, satria tsy laligny ny tany. 6Fô kôfa nibiagna ny masôva, de maigny iré satria tsy nisy vahiny, ka de nalazo.7Nilatsaka teo amin'ny fatsy iré voa hafa. Naniry iré fatsy ké nangeja ananjy iré. 8Iré voa hafa nalatsaka tamin'ny tany tsara de namoa voany, ny sasany tonga zato heny, ny sasany enim-polo, ary ny sasany telo-polo. 9Izay manan-tadigny, aoka izy hitan-dregny."10Avy iré mpianatra ary nivolagna an'i Jesosy hoe: "Nagnino ana no mikoragna amin'iré vahoaka amin'ny lalan'ny fagnoharagna?" 11Namaly Jesosy ké nivolagna an-jaré hoe: "Anaré no namiagna antombony hahafantatra iré zava-miafignin'ny fanjakan'ny lagnitry, fa ho ananjy ré de tsy namiagna izany. 12Satria na zovy na zovy managna, de ho betsaka koa aza no hamiagna ananjy. Fo na zovy na zovy ndreky tsy managnana, zay hanagnany aza halagna aminanjy.13Izegny no antony hivolagnako aminjaré ré amin'ny alalan'ny fagnoharagna: Na de mizaha aza zaré,de tsy mahita, ary nadé mitandregny aza zaré ré, de tsy maharegny, na mahazo. 14Aminjaré ré ny faminaniagnan'Isaia no tanteraka, izay mivolagna hoe: "Kofa mitandregny de haharegny anaré, kanefa tsy hahazo mihitsy; kofa mizaha de hahita anaré, nefa tsy hahatakatra.15Fo lasa donto ny fon'itô vahoaka itô, ary mafy tadigny izy ré, ary napinjaré ny masony, mbo tsy hahita amin'ny masonjaré zaré, na aharegny amin'ny tadigny zaré, na hahazo amin'ny fonjaré zaré, ke hibebaka indreky zaré, ary hagnasitragna anjaré zaho.'16Fo sambatra ny masonaré, satria mahita; ary ny tadigninaré, satria maharegny. 17Volagniky marigny aminaré fo mpaminagny sy olo-marigny maro no nagniry ny hahita réraha zay hitanaré, kanefa tsy nahita an'iré. Nagniry nyaharegny iré raha zay regninaré izy re, kanefa tsy naharegny an'iré.18Ké tandregneso ariky ny fagnoharagna ny amin'ny mpamboly afaiky izegny namafy ambékony. 19Kôfa misy maregny ny tenin'ny fanjakana nefa ka tsy mahazo izgny, de tônga ilay ratsy ké magnongotro izay nafafy takao am-pony. Io lay ambeko nafafy teny amôron-dalana.20Ilay nafafy tagny amin'ny tany be vato de ny ôlogno izegny naharegny ny teny ary tônga de nandray ananjy am-pifaliagna, 21Nefa ka tsiambola miorim-paka akô anatigny izy ké de maharitra malakilaky foagna izy.22Ilay nafafy tamin'ny fatsy, io de ny ôlogno izegny naharegny ny teny, nefa ka ny fiahiagnan'izao tontolo izao sy ny fitaky ny harena no mangeja ny teny, ké de nanjary tsy namoa izy. 23Ilay nafafy tagny amin'ny tany tsara, io no ôlogno izay naharegny ny teny, ké mahazo izagny. Mamoa voànkazo izy ké mahatonga ny abeko araiky, hanamia avo zato heny mihoàtra izegny namboliàgna, ny sanany enim-pôlo, ny sanany avo telo-pôlo heny.''24Nagnatôro fagnoharagna raika hafa tanjaré ré Jesosy. Aozy hoe: ''Ny fanjakan'ny lanitry de kara ny lalahy araiky izay namafy ambéko tsara tamin'ny sahany.25 Fô kôfa nandry igny ny ôlogno, de tonga ny fahavalony ké namafy voan-tsiparifary ndraiky koa tamin'ny vary ré de nandeha. 26Kôfa naniry iré vary sady avy také namokatra iré voany, de nipoitry koa avy také iré voan-tsiparifary.27Tonga iré mpiasan'ny tômpon-tany ké nivolagna taminanjy hoe: 'Tompoko tsy namafy ambeko tsara takô amin'ny saha mô anà? Nagnino izy aminjao nanjary misy voan-tsiparifary?' 28Aozy taminjaré ré hoe: 'Nisy fahavalo nagnano izegny.' Aozy mpiasa taminanjy hoe: 'ké tianà mô ny hadihananay hamôngotro ananjy ré?'29Ilay tompon-tany nivolagna hoe: 'Ahé. Satria koà hongotanaré iré tsiparifary anaré de mety voahongotro miaraka amin'iré koa ny vahi-bary. 30Ambilay hiaraka haniry zaré roa mandrapahatongavan'ny fisangoragna. Amin'ny fotoam-pisangoragna de hivolagna amin'ny mpisangotro zaho ho: ''Alao alôngany iré ahi-dratsy ké fihezo ho fatôragna maromaro mbô handoroagna ananjy ré, fô afompôno akô amin'ny fitoem-bokatranahy ndraiky iré vary.'''''31Avy také Jesosy nagnatôro fagnoharagna raiky hafa taminjaré ré. Aozy hoe: ''Ny fanjakan'ny lanitry de karaha ny voatsinampy izay nalain'ny lalahy raiky ké nafafiny takeo amin'ny sahany. 32Io voa io tokoa voa hely indrindra hafa jiaby. Fô kôfa nagniry akao amin'ny saha. Tônga hazo izegny, mbô hihavian'iré voron'ny habakabaka ké hagnano ny tragnonjaré zaré aké amin'irè rantsany.''33Avy také Jesosy nivolagna ôhatra raiky hafa. ''Ny fanjakan'ny lanitry de karaha karibônaty izay nalain'ny viavy raiky ké nafangarony tamina lafarinina intelo famaragna-pitômbo ny foto-koba manotolo.''34Fagnoharagna no nagnatoroan'i Jesosy iré raha jiaby iré tamin'ny fokon'ôlogno; ary tsy nivolagna na ino na ino taminjaré ré afa-tsy tamin'ny fagnoharagna Izy. 35Izegny de mbô hahatanteraka izegny nivolagniny tamin'ny alalan'ny mpaminagny, kôfa nivôlagna Izy hoe: ''Izaho hisôka-bava amin'ny alalan'ny fagnoharagna. Hivôlagna raha zay nasitriky hatrizay nagnorenagna izao tontolo izao Zaho.''36Avy také Jesosy nandao iré fokon'ôlogno ké nandeha andrano. Nakao aminy iré mpianany ké nivôlagna hoe: ''Azavéo aminày ny fagnoharagna mômba ilay tsiparifarin'ny saha.'' 37Namaly Jesosy ké nivôlagna hoe: ''Ilay mamafy ambeko tsara de ny Zanak'ôlogno. 38Ny saha de izao tontolo izao, ké ny ambeko tsara, iré no zanaky ny fanjakagna. Ny tsimparifary de iré zanak'ilay ratsy, 39ké ny fahavalo zay namafy anajy iré de ny devoly. Ny fijinjagna de ny fiafaran'izao tontolo izao, ké ny mpijinja de iré anjely.40Noho izegny, karaha ny anangonagna sy agnoroagna iré tsimparifary amin'ny afo, no atô kôa amin'ny fiafaran'izao tontolo izao. 41Hagnasa irè anjely ny Zanak'ôlogno, ké ho angonin-jaré ré hiala amin'ny fanjakany irè raha jiaby izay mahatônga fahotagna, sy iré izay magnano ratsy. 42Ké atsipin-jaré ré akô amin'ny lafôro maventy be mirehitra afo izy iré, izay hisy ny fitomagniana sy ny fikitroha-nify. 43Avaké hamiratra karaha masoandro akô amin'ny fanjakan'ny Ran'izy iré ny ôlo-marigny. Izay mana-tadigny aoka izy hitandregny.44Ny fanjakan'ny lagnitra de karaha hariagna izay mivony akô amin'ny saha araiky. Nisy lalahy nahita izegny ké nasitriny. Nandeha tamin'ny hafaliagnany izy, nambidiny izay raha nananany, ké nividy io saha io. 45Ké kôa, ny fanjakan'ny lagnitry de karaha ny lalahy izay mpivarotro mitady voahangy lafo vidy. 46Kôfa nahita voahangy araiky izay tegna lafo vidy izy, de nandeha ke nivarotra izay jiaby nananany ke nividy izegny.47Ké kôa, ny fanjakan'ny lagnitra de karaha ny harato izay natsipy tagny andranomasigny, ké nanangogno iré karazan-draha-manan'aina jiaby. 48Kôfa feno izegny, de nisintonin'iré mpagnarato ho aké amoron-dranomasigny. Avaké izy iré nipetraka ke nanangogno iré raha tsara ho akô amian'ny fitoeragny, fô iré raha tsy ilaigny ndreky narian-jaré ré.49Ho karanjegny amin'ny fiafaran'izao tontolo izao. Ho avy iré anjely ké hagnasaraka iré ratsy fagnahy amin'iré marigny. 50Ho atsipin-jaré iré akô amin'ny fandoroagna maventy be mirehitry afo izy iré, zay hisy ny fitomagniagna sy fikitroha-nify.51Mazava aminarè mô izegny raha jiaby izegny?'' Aozy iré mpianany taminanjy hoe: ''Ia.'' 52Avy také Jesosy nivôlagna tamin-jaré ré hoe: ''Noho izegny ny mpanora-dalàgna jiaby izay lasa mpianatra eo amin'ny fanjakan'ny lagnitra de karaha ny lalahy tompon-tragno araiky, izay mamoaka iré raha tranaigny sy iré raha vaovao avy akô amin'ny hariagnany.'' 53Avy také rehefa nahavita iré fagnoharagna iré Jesosy, de niala tamin'izé toeragna izegny Izy.54Avy také Jesosy niditry tao amin'ny taniny manôkagna ké nampianatra irè vahôaka tao amin'ny synagogan-jaré ré. Vokatr'izegny de talanjogno zaré ré ké nivôlagna hoe: ''Avy akéza no nagazon'itô lalahy itô ny fahindriagnany sy iré fahagagagna iré? 55Tsy io lalahy io mô no zanak'ilay mpandrafitra? Tsy Mary mô no hagnatsôvagna ny mamany? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, ndraiky Jodasy mô no rahalahiny? 56Tsy miaraka amintsika mô iré anabaviny jiaby? Avy akéza no nazahoany iré raha jiaby iré?''57Tohigny nohon'ny aminanjy zaré ré. Fô aozy Jesosy tamin-jaré ré hoe: ''Tsy misy mpaminagny tsisy hajany raha tsy akô amin'ny firenegnany sy akô amin'ny fianakaviagnany foagna.'' 58Tsy de nagnano fahagagagna be takô Izy nohon'ny tsy finoan-jaré ré.

Chapter 14

1Taminjagny fotoagna zagny, Heroda mpanjaka naharegny ny vôvô mikasika an'i Jesosy. 2Aozy tamin'ireo mpiasany hoe: ''I Jaona mpagnano batisa zagny; nifoha tamin'ny maty izy. Nohonjany de miasa aminanjy akô iré hery irè.''3Fô Heroda nanambotra an'i Jaona, namehy ananjy, avy aké nagnandefa ananjy tagny antragno maizigna noho i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny. 4Fô aozy Jaona taminanjy hoe: ''Tsy ara-dalàna ho anà ny mana Ananjy ho vadinà." 5Nagniry ny hamono ananjy Heroda, saingy natahotro iré fokonôlogna izy, satrià noraisin-jaré ré kara n'y mpaminany izy.6Fô kôfa tônga ny fitsingerenan'ny andro nahatirahan'i Heroda, de nandihy také tantegnategnan'iré vahiny nasaigna ny zanaka viavin'i Herodiasy ke tian'i Heroda. 7Ho takalon'izegny, de nampagnategna tamin'ny fianiagnana izy ny hagnamia izay hangatahiny na ino na ino.8Kôfa avy notoroan'ny reniny marika, de aoziny izy hoe: ''Amiao anahy aketo, ambonin'ny lasety, ny lôhan'i Jaona mpagnano batisa.'' 9Nahinankinaka mafy nohon'ny fangatahany ny mpanjaka, kanéfa nohon'ny voady sy noho iré jiaby nihinagna niaraka taminanjy, de nagnamia baiko izy fô tôkony ho vita izégny.10Nagnasa ké nampaka ny lôhan'i Jaona takô an-tragnomaizigna izy. 11Avy aké nindosigna tamin'ny lasety ny lôhan'i Jaona ary namiana ilay zazaviavy ké nindosiny také amin'ny reniny izegny. 12Avy aké de tônga iré mpianatrany, nalaka ilay faty, ké nandevina izegny. Tafaran'izegny, de nandéha izy iré ké nivolagna tamin'i Jesosy.13Izy koà naharegny izegny Jesosy, de niala avy také tamina sambohely araiky izy hakagny amina toeragna mitôkana araiky. kôfa naharegny izegny iré fôkon'ôlogno, de nagnaraka Ananjy an-tôngotro avy tagny amin'iré tanàm-bé. 14Avy také Jesosy naké anoloagnanjaré ré ké nahita iré fôkon'ôlogno maro bé. Nahinankinaka ananjy iré Izy ké nagnasitragna ny aretignanjaré ré.15Kôfa tônga ny hariva, de nenga taminanjy iré mpianatra ké nikoragna hoe: ''Itô de toerana foagna, ké efa tapitra sahady ny andro. Alefaso iré fôkon'ôlogno, mbô hahafahanjaré ré ménga akagny amin'iré tanàna ké hividy hanina ho an'ny tegnanjaré zaré.''16Fô Jesosy nivôlagna anjaré hoe: ''Tsy mila ménga lavitra zaré. Aminaré zaha hoanina zaré.'' 17Aozinjaré taminanjy hoe: ''Môfo dimy sy laoko arö foagna no hanananay akéto.'' 18Aozy Jesosy hoe: ''Indosy atô aminahy izégny.''19Avy aké Jesosy nibaiko iré fôkon'ôlogno mbô hipétraka aké amin'ny ahitra. Nalainy iré môfo dimy sy laoko arö. Niandra tagny an-dagnitra, de nisaotra Izy ké nanapatapaka iré môfo ké namiany iré mpianany, ary iré mpianatra nagnamia izégny ho an'iré fôkon'ôlogno. 20Nihinagna jiaby zaré jiaby ké voky. Avy aké de nangoninjaré ré ny ankeran'iré potikanina ké nahafeno roiambinifôlo tanty. 21Také amin'ny dimy arivo lahy také iré nihinagna, akoàtra iré zaza mbam-biavy.22Avy hatragny de nasainy nakô amin'ny sambohely ké hialôha Ananjy ho eny ampita irémpianany, kô mbôla nandefa iré fôkon'ôlogno Izy. 23Tafaran'ny nandefasany iré fôkon'ôlogno, de nénga niakatra tegny an-tendrombôhitra araika Izy mbô hivavaka. Kôfa tônga ny hariva, de araika také Izy. 24Ary ny sambo de efa dila lavitra ny tanety, natopatopan'ny onja, satrià nitsoka nanohitra anjaré ré ny rivotra.25Tamin'ny fiambenagna fahefatry ny aligna de nagnantonanjaré ré Jesosy, nandéha tegny ambôny ranomasigna. 26kôfa nahita Ananjy nandéha tegny ambôny ranomasigna iré mpianatra, de raiki-tahotra ké nivôlagna hoe: ''Angatra io,'' Ké de ny nihaikaika tamin-tahotra zaré ré. 27Fô Jesosy nivôlagna taminjaré ré avy hatrany hoe: ''Mahereza! Izaho itô! Aza matahotra.''28Namaly Ananjy Petera ké nagnano hoe: ''Tompo, kô Anà i, de asao magnatona Anà egny ambônin'ny rano zaho.'' 29Aozy Jesosy hoe: ''Magnatôna'' ké de niala avy takô amin'ny sambohely Petera ké nômba také ambôny rano mbô hagnatona an'i Jesosy. 30Fô kôfa nahita ny rivotra Petera, de nanjary natahatra. Kôfa iny izy nanômboka nijibika iny, de nihaika mafy izy sady nivôlagna hoe: ''Tompo, vonjeo zaho!''31Tônga de nanapatra ny tànananjy nalaky Jesosy, hitana an'i Petera, ké nivolagna taminanjy hoe: ''Anà ry hely finoagna, fô magnino anà no niahiahy?'' 32Avy aké Jesosy sy Petera nénga homba ny sambohely, nihana nitsoka ny rivotra. 33Avy aké iré mpianatra takô agnaty sambohely nidera an'i Jesosy ké nivolagna hoe: ''Anà marigna no Zanak'Andriamanitra.''34Kôfa avy niampita zaré ré, de tônga teny an-tanety takô Genesareta. 35Kôfa nahay an'i Jesosy iré lalahy takô amin'izegny toeragna izegny, de nandefa hafatra tegny amin'ny faritra manodidigna jiaby, ké nindôsinjaré takô Aminanjy izégny ôlogno narary jiaby. 36Nitaraigna Taminanjy zaré mbô hahafanjaré mikasiky ny morondambany foagna aza, ké fôntry iré nikasika izegny ké nahivagna.

Chapter 15

1Avy také nisy Fariseo sy mpanôra-dalag sanatsanany avy agny Jerosalema nagnatogna an'i Jesosy. Aozin-jaré ré hoe: 2''Nagnino iré mpianatranà no madika ny fômban-drazan'iré zôky ôlogno? Fô tsy magnasa ny tanagnananjy zaré ré mialôhan'ny ihinagna.'' 3Namaly Izy ké nivôlagna taminjaré ré hoe: ''Ké nagnino ary anaré no mandika ny lalàn'Andriamanitra nohon'ny fômban-drazanaré?4Fô Andriamanitra nivôlagna hoe: 'Hajeo ny babanà ndraiky mamanà', ary izay mivôlagna ratsy ny babany na ny mamany, dé ho naty tokoatra.' 5Fô anaré mivôlagna hoe: 'Na zôvy na zôvy mivôlagna amin'ny babany na ny mamany hoe: "Na ino na ino fagnampiagna izay azonaré avy aminahy de fagnomezagna ho an'Andriamanitra avahizo,''' 6izegny ôlognô izegny tsy mila magnaja ny babany. Amin'izagny fômba izegny de nofoagnanaré ny tenin'Andriamanitra nohon'ny tombotsoan'iré fômban-drazanaré.7Ry mpiatsaravelatsy! Marigna ny faminaniagnan'Isaia mômba anaré kô mivôlagna izy hoe: 8'Itô fokonôlo tô de magnaja anahy amin'ny molotra anjaré ré, fô ny fôn-jaré ré de lavitra anahy. 9Tsisy dikany ny fideragna anahy, satia zaré ré ampianatra ny didin'ôlombelogno karaha ny fampianaran-jaré ré.'''10Avaké magnantso ny fokon'ôlo ho aké Aminanjy Izy ké nivôlagna tamin-jaré ré hoe: "Mitandrignesa kè mazahoa - 11Tsy ny miditry akô ambavan'ny ôlogno no mandoto ny ôlogno. Fô ndraiky, izay aboaky ny vava, no mandoto ny ôlogno."12Avy aké nagnantogna iré mpianatra ké nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: "Izy mô hainà fô tafitohigna iré Fariseo nohon'ny naharegny izègny koragna izègny?" 13Jesosy namaly ké nivôlagna hoe: "Iré raha-maniry izay tsy nambolen'ny Babako agny andagnitra de ho avotagna jiaby. 14Ambilé zaré ré ho aké, zaré ré mpitarika jamba. Kô misy ôlogno jamba araiky mitarika jamba araiky hafa, de somby nilatsaka an-kady zare roa."15Petera namaly ké nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: ''Azavéo aminay izégny hôatra izégny. '' 16Aozy Jesosy hoe: Tsy manam-pahalagna foagna koà mö anaré?'' 17Tsy hitanà mö fô izay miditry amin'ny vava de mankô ambôtraka ary avy aké de haboaka akô amin'ny lava-piringy?18Fô iré raha izégny aboaka ny vava de avy amin'ny fô. Iré raha iré no mandoto ny ôlogno raika. 19Fô avy amin'ny fô no hiboahan'ny sain-dratsy, ny famonogna ôlo, ny fijangajangana, ny fangalam-badin'ôlogno, ny halatra, ny fijoroagna vavolombelogno tsy marigny, ary ny fivolagnan-dratsy. 20Iré raha iré no mandoto ny ôlogno raiky. Fô ny mihinagna amin'ny tagnana tsy miasa de tsy mandoto ny ôlogno raiky."21Avy aké Jesosy niala také kè niherigna tagny amin'ny faritanin'i Tyro sy Sidona. 22Igny, nisy viavy Kananita araiky avy amin'ny izegny faritra izegny. Nihèky mafy izy ké nivôlagna hoe: "Mamindrà fô aminahy, ry Tompo, Zanaka an'i Davida o! Ny zanako viavy de ampijalian'ny demonia mafy." 23Fô Jesosy tsy namaly koragna ananjy. Nagnantogna iré mpianatra ananjy ké niangavy taminanjy, nagnano hoe: "Toravo izy, fô mitabataba mafy amintsika."24Fô Jesosy namaly ké nivôlagna hoe: "Tsy nasaigna ho anjovy na izôvy Zaho kô tsy ho an'ny ondry very akô amin'ny fianakavignan'Isiraely." 25Fô tônga sy nangataka sy niankohotro také anatrèhany izy, nagnao hoe: "Tompo, vonje zaho." 26Namaly Izy kè nagnano hoe: "Tsy rariny kô alaigna ny môfon-jaza ké atsipy ho an'ny kiva."27Fô ahoziny hoe: "Ia, Tompo, fô na de ny kiva aza mbô mihinagna izay helihely latsaka avy amin'ny latambatry ny tompony." 28De namaly Jesosy ary nivôlagna taminy hoe: "Raviavy, matomboka ny finoagnanà; ho tanteraka aminà anie izegny araka izay irianà." De nahivagna ny zanany viavy taminjagny ora izegny.29Niala také Jesosy nankeny akaikin'ny ranomasin'ny Galilia. Avaké de nakatra tagny an-tendrombôhitra raiky izy kè nantotry také. 30Fôkon'ôlo fôntry no nagnantogna Ananjy. Nindosinjaré ré niaraka taminjaré ré mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary marary hafa koà, nambèlan-jare ré také an-tongotran'i Jesosy iré; ké de nositraniny. 31Kè de variagna ny fôkon'ôlo kô nahita iré moana nivôlagna, ny kilemaina nahivagna, ny malemy afaka nandeha, ary ny jamba mahiratra. Nankalaza ny Andriamanitr'Israely zaré ré.32Nagnantso ire mpianany mbô hagnatogna Ananjy Jesosy ary nivôlagna hoe: ''Mahinakinaka ire vahoaka Za, satrià aifa telo andro sahady izy ire no nipaitraka taminahy naifa tsisy anigna. Tsy te hagnondaifa azy ire tsy hômagna Za, sô de tôragna eny an-dalàgna eny.'' 33Hoy ire mpianatra Taminy hoe: ''Akaiza no hahitanay môfo fanôka sy ampy ire vahoaka maro be ire atô angnefitra? 34Nivôlagna Jesôsy tamin'izy ire hoe: "Môfo firy no agny aminare?'' Ary hoy izy ire hoe: "Fito, sy lôka madinika vitsy.'' 35Avake Jesosy nagnasa ny vahoaka mbô hipaitraka amin'ny tany.36Nandray ny môfo fito miaraka amin'ny lôka Izy, ary kôfa nisotra, de namaky ny môfo kay nanôlotra ire ho an'ire mpianatra. Ire mpianatra nagnamià ho an'ny vahoaka. 37Nihinagna kay afa-pô ny jiaby. Avake izy ire nanangogna sobika fito feno hambihambiny zay tsy lany. 38Ire zay nihinagna de aifatra arivo lahy, tsy agnatiny ny zaza amam-biavy. 39Avake Jesosy nampody ny vahoaka kay niondragna an-dakagna ary de nandaiha akagny amin'ny faritr'i Magadana.

Chapter 16

1Tonga iré Fariseo sy Sadoseo ké nitsapa Ananjy ké nangataka Ananjy mbô hagnatoro anjaré famantaragna avy agny andagnitry. 2Fô Izy namaly ké nivolagna anjaré hoe: ''Kôfa hariva, de hoizinaré hoe: 'Ho tsara ny andro, fô mena ny lagnitry.'3Kôfa mandraigny, de hozinaré hoe: 'Ho ratsy ny andro, fô mena sy manjômbogno ny lagnitry.' Hainaré ny mamantatra ny endriky ny lagnitry, fô ianaré tsy afaka mandika iré famantaragna ny fotoagna. 4Ny taranaka ratsy sy mpijangajanga de mizaha famantaragna, fô tsy hisy famantaragna hamiagna ananjy akoatra ny famantaragna an'i Jaona.'' Avy také Jesosy nandao anjaré ké lasagna.5Kôfa tonga teny ampitany iré mpianatra, de adinonjaré ré ny nitondra môfo. 6Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: ''Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'iré Fariseo sy Sadoseo.'' 7Niady hevitra ire mpianatra ké nivolagna hoe: ''Noho isika tsy nitondra môfo izegny.'' 8Jesosy nahay izegny ké nivolagna: ''Ianaré ry kely finogna, nagnino ianaré no miady hevitra aminaré ké mivolagna fô nohon'ny tsy nitondranaré môfo izegny?9Mbola tsy fantanaré na tsaroanaré mé ny môfo dimy ho an'ny dimy arivo, ké sobika firy no nangoninaré? 10Na iré môfo fito ho an'iré efatr'arivo, ary sobika firy no nalainaré?11Manakory no tsy azahoanaré fô tsy momban'ny môfo no nivolagniko anaré? Miambena ké mitandrema amin'ny masirasiran'iré Fariseo sy Sadose.'' 12Avaké azonjaré ré fô tsy hitandrina amin'ny masirasiran'ny môfo no nivolagniny anjaré, fô hitandrina ny amin'ny fampianaran'iré Fariseo sy Sadoseo.13Kofa tonga tagny amin'ny faritra mariny any Kaisaria-filipo Jesosy, de nagnotany iré mpianany Izy, nagnano hoe: ''Ataon'ny ôlogno ho zovy mô ny Zanak'ôlogno?'' 14Aozi-jaré hoe: ''Ny sanany mivolagna fô Jaona mpagnano batisa; ny sanany, Elia; ary iré hafa, Jeremia, na araika amin'iré mpaminany.'' 15Aozin'ny tamin-jaré hoe: ''Fô anaré ndraiky manano Anahy ho zovy?'' 16Namaly, Simona Petera nagnano hoe: ''Inao no Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra velona.''17Namaly Jesosy ké nagnano taminy hoe: ''Sambatra anô, ry Simona Bar-Jaona, fô tsy ny nofo sy rà no naneho izany taminô, fô ny Raiko izay any an-dagnitry. 18Volagniky aminaré ndraiky koa fô anô no Petera, ary ambonin'itô vatolampy itô no hagnoregnako ny fiangonako. Ny vavahadin'ny tragno manara dé tsy haharesy izegny.19Hamiako anré ny lakilé ny fanjakan'ny lagnitra. Na ino na ino fehizinô aketo ambônin'ny tany de ho fehezigna akagny an-dagnitra, ary na ino na ino vahanô ety an-tany de hovahana akagny an-danitra.'' 20Avy také Jesosy nadidy iré mpianatra fô izy iré de tsy tokony hivolagna na aminjovy na izovy fô Izy no Kristy.21Tamin'izegny fotoagna izegny Jesosy nanomboko ny volagna iré mpianany fô tsy maintsy ho agny Jerosalema Izy, hizaka fijaliagna fontry aké an-tanan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisôrogno ndriky iré mpanora-dalàna, ho vonoina, sy hatsangana ndraiky amin'ny andro fahatelo.22 Avy aké Petera nalaka Ananjy ké nivolagna mafy Ananjy, nagnano hoe: ''Ho lavitra anô ane izegny, ry Tompo; tsy hotônga aminô mihintsy anie izegny.'' 23Fô Jesosy nitôdiky ké ny volagna tamin'i Petera hoe: ''Mialà agny ivohoko, ry Satana! Ianao de fagnafitoinagna ho Anahy, noho ianô tsy nanahoa iré rahan'Andriamanitra, fô iré rahan'ôlogno.''24Avy aké Jesosy nivolagna tamin'iré mpianany hoe: ''Raha misy te-hagnaraka anahy, de tsy maintsy manôhitra ny tegnany izy hitondra ny hazofijaliagnany, ké manaraka Anahy. 25fô na zovy na zovy te-hamonjy ny ainany de hahavery ananjy, ary na zovy na zovy no hahavery ny ainany nohon'ny aminahy, de hahazo izegny. 26Fô ino mô no soa ho azon'ny ôlogno izikoa mahazo izao tontolo izao nefa ka very ny ainy? Inona no hamian'ny ôlogno ho takalon'ny ainy?27Fô ny Zanak'ôlogno de ho tonga amin'ny voninahitriy ny Babany miaraka amin'iré anjely. avy aké Izy hamaly soa ny ôlogno tsy raikaraika arka izay efany. 28Volagniko marigny aminaré, fô misy sanany aminaré izay mijoro aketo no tsy hitsapa ny fahafatesana mandrapahitagnan'jaré ré ny Zanak'ôlogno tonga amin'ny fanjakagny.''

Chapter 17

1Enign'andro taty afara Jesosy de nangala an'i Petera, Jakoba, sy Jaona rahalahiny niaraka taminanjy, ké nitondra ananjy iré niakatra ny tendrombohitra ambo tamin'ny tegnanjaré ré. 2Niôva endrika také agnatreahanjaré ré Izy. Namiratra karaha ny masôva ny tavany, ké iré fitafiany lasa namiratra karaha ny hazavagna.3Io, niseho taminjeré ré Mosesy sy Elia nikoragna taminany. 4Namaly Petera ké nagnano tamin'i Jesosy hoe: ''Tompo, tsara amintsika ny aketo. Kôfa sitrakaré, de hagnano fialofagna telo ho antsika aketo zaho - araiky ho anà, araiky ho an'i Mosesy, ké araiky ho an'i Elia.''5Kôfa mbôla nivôlagna Izy, io, nisy rahogna mazava nanarogna ananjy iré, ké io, nisy feo nivoaka avy takô amin'ny rahogna, nagnano hoe: ''Itô ny Zanako malalako, zay sitrako tokoà. Tandrigneso Izy.'' 6Kôfa regnin'iré mpianatra izégny, de lavo zarè ré ké natahotra mafy. 7Avaké tamy Jesosy ké nikasika ananjy ré ké nivôlagna hoe: ''Mitsangàna ké aza matahotra.'' 8Avy aké de nizaha ambony zaré ré fô tsy nahita na zôvy na zôvy afa-tsy Jesosy irery foagna.9Kôfa nidigna ny tendrombohitra zaré ré, de nandidy ananjy ré Jesosy, nagnano hoe: ''Aza mitatitra izô fahitagna izô na amin'izô na zô mandra-pitsangan'ny Zanak'ôlogna amin'ny naty.'' 10Nagnontany Ananjy iré mpianany, nagnano hoe: ''Akôry ké iré mpanora-dalàgna no mivôlagna fô Elia de tsy maintsy ho avy alôha?''11Jesosy namaly ké nivôlagna hoe: ''Elia de ho avy tokoà ké hamerigna amin'ny laoniny ny raha jiaby. 12Nefa volagniko aminaré, fô efa tônga Elia, fô zaré ré tsy nahafantatra ananjy. Mifanohitra amin'izégny, nagnano ny raha jiaby zay tiany natô taminanjy zaré ré. Ké karaha izégny foagna koà, ny Zanak'ôlogna foagna koà de hijaly aké an-tagnanjaré ré. 13Avaké de azon'iré mpianatra fô nivôlagna taminanjy iré ny momba an'i Jaona mpagnano Batisa Izy.14Kôfa tônga také amin'ny vahoaka zaré ré, de nisy lalahy araiky nagnantogna Ananjy, nandohalika také agnatrehany, ké nivôlagna hoe, 15''Tompo, manàgna famindram-pô amin'ny zanako lahy, fô voan'ny androbe izy ké mijaly mafy. Fô mianjera teteka agny agnaty afo na rano izy. 16Nitondra ananjy také amin'iré mpianatrao zaho, fô tsy afaka nagnasitragna ananjy zaré ré.''17Namaly Jesosy ké nivôlagna hoe: ''Ry taranaka tsy mpino sy simba toetra, mandra-pahoviagna no tôkony hipetraka aminaré? Mandra-pahoviagna no tsy maintsy ivolagnako miaraka aminaré? Indosy aketo aminahy izy.'' 18Nivolagna mafy ny demonia Jesosy, ké nivoaka taminanjy izégny ké de sitragna tamin'izégny lera izégny lay zaza lalahy.19De nagnantogna an'i Jesosy mangingigna iré mpianatra ké nagnano hoe: ''Magnino no tsy nahavita namoaka an'igny zahay?'' 20Jesosy nivôlagna ananjy iré hoe: ''Noho ny finoagna helinaré. Fô vôlagniko marigna aminaré, kôfa managna finoagna na de hely karaha ny voatsinampy aza anaré, de afaka mivôlagna amin'itô tendrombohitra itô anaré hoe: 'Mifindrà avy aketo ho etsy,' de hifindra izégny ké tsy hisy na ino na ino tsy ho hainaré atô. 21[Fagnamarihagna: Ny dika-teny talôha tsara indrindra de tsy ahitagna ny hoe And.21. ''Fô itô karazagna demonia itô de tsy mivoaka kôfa tsy miaraka amin'ny vavaka sy fifadian-kanigna.'']22Kôfa nipetraka tagny Galilia zaré ré, de ahozy Jesosy tamin'iré mpianany hoe: ''Ny Zanak'ôlogna de hatolotra aké an-tagnan'ny ôlogna, 23ké zaré ré hamono Ananjy, ké ny andro fahatelo de hatsangagna Izy.'' Lasa nalahelo tanteraka iré mpianatra.24Kôfa tônga tagny Kaperinaomy zaé ré, de nankeo aminanjy Petera iré lalahy zay nanangogna ny hetra atsasaky ny sekely ké nivôlagna hoe: ''Tsy mandoa ny hetra atsasaky ny sekely vô ny mpampianatraré? 25Ahozy izy hoe: ''Ia.'' Fô kôfa niditra takô an-tragno Petera, de Jesosy alôha no nikoragna taminanjy ké nagnano hoe: ''Ino no eritreritranà, ry Simona? Iré mpanjaka taketo an-tany, avy aminjôvy no andraisanjaré ré hetra na hetran'ôlogna? Avy amin'iré vahoakany vô sa avy amin'iré vahiny?''26Kôfa nivôlagna Petera hoe: ''Avy amin'iré vahiny,'' De ahozy Jesosy taminanjy hoe: ''De afaka amin'ny fandoavagna izégny iré vahoaka. 27Fô mbô tsy hampanotantsika ny mpamory hetra, de mandeha agny amin'ny ranomasigna, manipàza fitagna akô, ké alay ny laoko zay miakatra voalôhany. Kôfa voasôkatra ny vavany, de hahita sekely anà. Alay izégny ké amiao iré mpamory hetra ho Anahy sy ho anà.''

Chapter 18

1Tamin'jany fotoagna zegny fôagna de tônga také amin'i Jesosy iré gaognany nivôlagna hoe: ''Izovy ambôny tokoatra akagny amin'ny fanjakan'ny lagnitry?'' 2Jesosy nagnatso zaza hely andéa aké aminanjy, namétraka ananjy taminjaré, 3ké nivôlagna hoe: '' Volagniko aminaré tégna marigna, fô kô tsy miôva karaha iré zaza heky iré anaré, de tsisy fômba hitsofôranaré amin'ny fanjakan'ny lagnitry.4Aviamin-jagny, na zôvy na zôvy magnetry tégna kara itô zaza hely tô de ambony tokoatra izy agny amin'ny fanjakan'ny lagnitry. 5Na zôvy na zôvy mandramby zaza hely karan-jao amin'ny agnarako de mandramby Anahy. 6Fô nazôvy na zôvy mahatônga raiky amin'iré zaza hely zégny mino Anahy ré hanota, de tsara aminanjy agnatôgnana fikosoambary maventy amin'ny tendany, ké halentiky agny amin'ny ranomasigna laligna izy.7Tsigny ho an'izao tontolo izao avy amin'ny fotoagnany fagnafintohinagna! Fô ilaigny ny ahatongavan'izegny fotoagna izegny néfa tsigny ho an'ôfo zény hiavian'ny fotoagna zégny! 8Kô mahatonga anà tafintohigna ny tagnanà na tongotranà de bongoaho zagny ké alao aminà. Tsara loatra aminà ny managnantsa na mitsitringa agny amin'ny fiainagna mandrakizay tozay very agny amin'ny afo tsy mety maty amin'ny fanagnana tagnana ndraiky tongotra aroa.9Kô mahatônga fanafintohinagna aminà ny masonà raiky, ipohaho zagny ké alao aminà. Tsara loatra aminà ny mitsofotro amin'ny fihainagna mandrakizay miaraka amin'ny maso tôkagna tozay very agny aminy afo tsy mety maty miaraka amin'ny maso roè.10Tandremo tsy hagnano tsisy dikany an'iré zamadiniky iré naré. Fô mivolagna aminaré Zah fô agny an-dagnitry iregny anjely regny de mizaha fôgna ny endriky ny Babako agny an-dagnitry. 11[Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talôha tsara tegna tsara de ahitagna ny fehezanteny zay miboaka karaha, And.11.hoe: ''Fô ny zanak-ôlogno de tônga mbô hamonjy zôgny very.'']12Ino mbô eritreretinaré? Kô misy mitarimy ondry zato, ké very lalagna ny araiky aminjaré, de tsy laôsany marô ny sivy ambiny sivy fôlo aké amin'ny avona mô izy ké mandeha mizaha lé raiky zay nakagny amin'ny lalagna nahavery ? 13Kôfa hitany zégny, de volagniko marigna aminaré, fô nifaly amin-angny mihotra lavitra noho iré sivy ambiny sivy fôlo lay tsy nandeha tamin'ny lalan-diso izy. 14Karahan-jegny koa, tsy sitraky ny Babanaré agny andagnitry ny hahavery ny araiky amin'iré madiniky iré.15Kô manota aminà rahalahinà, mengaha ké volagno aminanjy ny hadisôvany, aminé ndraky izy fôagna. Kô mitandregny anà izy, de hifankahazo aminanjy ndraika anà. 16Néfaka kô tsy mitandregny anà izy, de mangalà raiky na roé hafa miaraka aminà, amin-jay mbô amin'ny vavan'iré vavolomelogno roé na telo no ahafanà manarigna ny koragna jiaby.17Izy kôfa tsy magneky hitandregny anjaré ré izy de volagno amin'ny fiangonagna ny raha nandalo. Kô tsy magneky hitandregny ny fiangonagna koa izy, de ambilay izy kara ny Jentilisa ndraiky mpamory hetra.18Volagniko marigny aminaré na ino na ino fehezinaré aketo an-tany de fehezigna akagny an-dagnitry; ary na inona na inona ambélanaré aketo an-tany de ambéla akagny an-dagnitry. 19De mbôla volagniko aminaré ndraiky hoe: ''Kô misy roa aminaré magneky aketo an-tany ny aminy zegny jiaby njaré ré, de ho atao ho an-jaré izegny amin'ny alalan'ny Raiko izay agny andagnitry. 20Fô na akéza misy roé na telo miaraka mivôry amin'ny Anarako, de aké antegnategnan-jaré ré Zaho. ''21Avy také nagnatogna' i Petera ké nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: ''Tompo, impiry nanota aminahy ny rahalahiko ké haméla ananjy fôgna zah? Mahazo im-pito va?'' 22Jesosy nivôlagnananjy hoy: ''Tsy mivolagna aminà zah hoe impito, fô mahazo fitopôlo im-pito.23Noho izegny ny fanjakan'ny lagnitra de mitôvy amin'ny ampanjaka raiky zay te hifandamigna ara-bôla amin'ny mpiasany. 24Kô mbôla vao nanampôna ny fandaminagna izy, de nisy piasa raiky nindôsigna také aminanjy zégny nanagnany talenta iray aligna. 25Nefkà satria tsy nanagna fômba hanifagna izegny izy, de nandidy ny hamarontagna ananjy ny tômpony, miaraka aminy vadiny ndraiky zanany mbôny izay hagnanany jiaby, ké ho vitany ny fanifagna-trosa.26Nohonin-jany de niondrika lay mpiasa ké niankôhoko talôhany také ké nivôlagna hoe: 'Tompo, manàgna faharetagna aminahy, de hifaiko aminà ny raha jiaby.' 27Nohon-jany ny tompon'jany mpiasa zegny, nahinakinaka ké nagnafaka ananjy ké naméla ny trôsa tamin'jany.28Fô niboaka io mpiasa io ké nahita ny raiky tamin'iré mpiaramiasa taminanjy, zay nanagnany denaria zato. Nisambôriny izy, niraisiny tamin'ny téndany, ké nivôlagna hoe: 'Iféo aminà zegny notrosainà. 29Néfa niondrika io mpiaramiasa taminanjy io ké nitaraigny taminanjy, nagnano hoe: 'Managna faharetagna aminahy, de iféko ndraiky aminà.'30Néfaka tsy nagneky le mpiasa vôlôngany. Mifanôhitra amin-jeny, nénga izy ké nataony tampigadrana le mpiara miasa aminanjy mandra-mpanifainy aminy zay nitrosainy. 31Kôfa nahita zegny niseho iré mpiara miasa taminanjy, de nahinakinaka tégnany zaré ré. Nénga ké nivôlagna tamin'ny tompony zay jiaby niseho zaré rè.32Avy také nagnatso ananjy io patrôgnany io, ké nivôlagna ananjy hoe: 'Anà mpiasa ratsy fagnahy, nambela ny trôsako jiaby taminà zaho satria anà nitaraigny taminahy. 33Tsy tôkony hanagna famindrapô amin'ny mpiaramiasa aminà koa mô anà, karaha nanagnako indrafô taminà?'34Vignitra ny patrôgnany ké nitôndra ananjy tagny amin'iré mpampijaly mandra mpanifainy izegny jiaby nitrosainy. 35Karan-jegny anön'ny Raiko agny andagnitry aminaré, kô tsy maméla ny rahalahy amin'ny fôny ny tsiraikiraiky aby aminaré.

Chapter 19

1Izy kôfa nahavita iré koragna ré Jesosy, niala tagny Galilia Izy, ké nankagny amin'ny faritr'i Jodia izay tagny andafin'ny tegnaranon'ny Jordana. 2Fôkon'ôlogno fôntry no nagnaraka Ananjy, ké nampahivagna ananjy iré tagny Izy.3Nagnatogna Ananjy iré fariseo, nizaha fagnahy Ananjy, nivôlagna taminanjy hoe: ''Ara-dalagna ho an'ny lalahy vô ny misaraka amin'ny vadiny noho izay mety ho hantony jiaby?'' 4Jesosy namaly ké nivolagna hoe: ''Tsy nivakinaré vô fô Izy izay nagnano ananjy iré tamin'ny vôalôhany de nagnano ananjy iré ho lalahy sy viavy?5Izy Izay nagnano ananjy iré de nivôlagna foagna koà hoe: 'Fô noho izegny antony izegny de hadao ny babany ndraiky mamany ny lalahy ké hitambatra amin'ny vadiny, ké ho lasa nôfo araiky zaré roa?' 6Ké tsy ho nôfo roa éky zaré ré, fô ho nôfo araiky. Ké izay natambatr'Andriamanitra, aoka tsy hisy hampisaraka.''7Aozin-jaré ré taminanjy hoe: ''Nagnino zegny Mosesy no mandidy anay hagnamia taratasy fagnamarinam-pisarahagna ary avy aké hangerigna ananjy?'' 8Aoziny taminjaré hoe: ''fô ny hamafisam-pônaré no namelan'i Mosesy anaré hisaraka amin'ny vadinaré, ô tamin'ny vôlohany de tsy izegny no fômba. 9Vôlagniko anaré, na zôvy na zôvy misaraka amin'ny vadiny izy kôà tsy nohon'ny fijangajangagna, ké manambady hafa, de mandiadia vady; ke ny lalahy manambady viavy izay efa nisarapanambadiagna de mijangajanga.''10Iré ampianatra nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: ''Kôa zegny no toetran-dalahy amin'ny vadiny, de tsy tsara ny manambady.'' 11Fô Jesosy nivôlagna tamin-jaré hoe: ''Tsy ny ôlogno jiaby no afaka magneky izégny fampianaragna izégny, fô iré izay nambela hagneky izégny foagna. 12Fô misy iré inoka izay efa karaha izégny letry an-kibon-drenin-jaré ré, ké misy iré inoka izay nataon'ôlombelogno, ké misy iré inoka izay nagnano ny tegnan-jaré ré ho inoka nohon'ny fanjakan'ny lagnitry. Izy izay afaka mandray izégny fampianaragna izégny, aoka izy handray izégny.''13Avy aké nisy zamadinika sasantsasany nindosigna také aminanjy mbô hametrahagny tagnana aminjaré ré ké hivavaka, fô nivôlagna mafy ananjy iré iré ny mpianatra. 14Fô aoziny Jesosy hoe: "Ambilé ny zamadinika, ké aza sakanagna zaré ré hagnatogna Anahy, satriá ny fanjakan'ny lagnitry de fanôko anjaré ré." 15Napétragny také amin'iré zaza ny tagnanananjy, ary avy aké niala také Izy.16Egy, nisy lalahy nagnatogna an'i Jesosy ké nivolagna hoe: "Mpampianatra, ino ny raha manjary tsy maintsy anöko mbô hahazahoako ny fiainagna mandrakizay?" 17Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: "Nahoana anô no magnontany mômba izay tsara aty aminay ? Araiky ihany no tsara, fô raha te-hiditra akagny amin'ny fiainagna aná, de tandremo iré didy.''18Aozy ilay lalahy taminanjy hoe: ''Didy ino?'' De aozy Jesosy hoe: ''Aza mamono ôlogno, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza magneky vavolombelogno tsy marigny, 19Hajéo ny babanà ndraiky mamanà, ké tiavo ny mpiara-belogno aminà mitovy ny tegnanà.''20Ilay gognalahy nivolagna taminanjy hoe: ''Efa nanoko jiaby izegny raha jiaby jiaby izegny. Ino no anoko?'' 21Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: ''Kô magniry ny ho tônga lafatra anà, de mandihana, ambidio izay hanagnanà, ké amià ny tsy managna, fô hanagna hariagna agny an-dagnitry anà; ké aviá magnaraha Anahy.'' 22Fô kôfa naharegny izay nivolagnin'i Jesosy ilay gognalahy, de niala tamin'alahelo izy, satriá nanagna fanagnana fôntry.23Aozy Jesosy tamin'iré mpianatra hoe: ''Volagniko marigna aminaré, tsy môra ho an'ny mpanakariagna ny hiditry ny fanjakan'ny lagnitry. 24Ké mbôla volagniko aminaré ndraiky, môra kokoá ho an'ny rameva ny miditry amin'ny vodim-pilo noho ny idiran'ny mpanakariagna akô amin'ny fanjakan'Andriamanitra.''25Kôfa naregny izegny iré mpianatra, de tegna variagna tokoatra ké nivôlagna hoe: ''Izôvy ary izegny no afaka ho vonjegna?'' 26Nizaha ananjy iré Jesosy ké nivôlagna hoe: ''Amin'ny ôlogno de tsy hay atô izegny, fô amin'Andriamanitry ny raha jiabijiaby de azo atô.'' 27Avy také Petera namaly ké nivolagna hoe: ''Efa, nambelanay ny raha jiabijiaby ké nagnaraka anà zahay. Ino izegny no ho azonay?''28Jesosy nivôlagna ananjy iré hoe: ''Volagniko marigny aminaré, amin'ny vanim-potoagna vôvô kôfa mipetraka aké amin'ny seza fiandrianan'ny voninahitrany ny zanak'ôlogna, de hipetraka aké amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny fôlo ihany koa anaré izay nagnaraka Anahy, hitsara iré fôko roa ambin'ny fôlon'Israely.29Ny ôlogno jiaby izay nandao trano, rahalahy, anabavy, baba, mama, zanaka, na tany nohon'ny agnaragnanahy, de handray avo zato heny ké handôva fiaignana mandrakizay. 30Fô maro iré izay voalôhagny ho lasa farany, ary ny farany ho voalôgny.

Chapter 20

1Fô ny fanjakan'ny lanitry de karaha tômpon-tany izay nandeha vô nandraina bé hapikarama mpiasa ho an'ny tanim-boalobokany. 2Kôfa avy nifagnaraka tamin'ré mpiasa izy fô ho denaria raika isan-andro ny karamanjaré ré, de nalefagny tagny amin'ny tanim-boalobokany zaré.3Niboaka ndriky izy tamin'ny ora fahatelo ké nahita mpiasa hafa takô abazary. 4Aozy taminjaré ré hoe: 'Anaré koá mandihana agny amin'ny tanim-boaloboka, ké izay an-keviny marigna de hamiko anaré.' Ké nénga niasa zaré.5Mbôla niboaka ndraiky izy erantaké amin'ny ora fahenigny ary koá tamin'ny ora fahasivy, ké nagnano kara izegny koà. 6Tamin'ny ora faharaika ambin'ny fôlo de niboaka ndray mandeha koá izy ké nahita mpiasa hafa nijorojoro. Aoziny taminjaré ré hoe: 'Magnino anaré no mijoro aketo mandritry ny tontôlo andro?' 7Aozinjaré ré taminanjy hoe: 'Tsy misy ôlogno mampikarama zahey.' Aoziny taminjaré ré hoe: 'Anaré foagna koá mandihana agny amin'ny tanim-boaloboka.'8Kôfa tônga ny hariva, de nivôlagna tamin'ny mpitandrin-draharahany ny tômpon'ilay tanim-boaloboka hoe: 'Antsovy iré mpiasa ké iféo ny karamanjaré ré, manômboko avy amparany ménga amin'ny vôalôhany.' 9Kôfa tônga iré mpiasa izay nalaigna tamin'ny ora fahiraika ambiny fôlo, de raika tsiraikaraika avy zaré ré. 10Kôfa tônga iré mpiasa vôlôhany, de nieritreritra fô ahazo mihoatra zaré ré kanéfa zaré ré de nahazo denaria raika tsiraikaraika foagna koà.11Kôfa nahavoaray ny karamany zaré ré, de nitaraigna mômba ilay tômpon-tany zaré. 12Aozinjaré ré hoe: ' Iré mpiasa farany iré de niasa adin'iraika foagna, kanéfa de nampitovinà taminay zaré ré, zahéy izay nizaka ny vesatry ny tontôlo andro sy niharitra haignandro.'13Fô namaly ilay tômpon-tany ké nivôlagna tamin'ny raika taminjaré ré hoe: 'Ry sakaiza, tsy magnano izay tsy mety aminà zaho. Tsy denaria raika vô no nifanarahanà taminahy? 14Iraiso izay anà ké zory ny lalananà. Zaho de nifidy ny hagnamià ho an'iré mpiasa nampikaramaina faragny karaha ny anà koà.15Tsy manan-jo hagnano araka izay tiáko amin'izay anahy mo zaho?' Sé mialona mô anaré satria malala-tanana zaho?' 16Ké ny farany de ho vôlôhany, ary ny vôlôhany, ho farany.'' [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talôha tsara indraika de mangala ny hoe: ''Maro no nantsoigna fô vitsy ny voafidy.'']17Kô hiainga ho any Jerosalema Jesosy, de nalaka iré roa ambin'ny fôlo takeo ankilany Izy, ary teny an-dalana Izy nivôlagna taminjaré ré hoe: 18''Indro, hiakatra ho any Jerosalema antsika, ké ny zanak'ôlogna de hatolotra aké amin'ny lohan'ny mpisorona sy iré mpanôra-dalàna. Zaré ré de hagnameloka Ananjy ho faty 19ké hanolotra Ananjy amin'iré Jentilisa mbô himohézana, ho lamohina, ary hanombohana Ananjy amin'ny hazofijaliagna. Fô amin'ny andro fahatelo de hatsangana ndraika Izy.''20Avy akè ny maman'iré zanaka lalahin'i Zebedio nagnantona an'i Jesosy niaraka tamin'iré zanakany lalahy. Niankohoka také agnatrehany izy ké nangataka raha avy aminanjy. 21Aozin'i Jesosy taminanjy hoe: ''Ino no irianà?'' Ahozy taminy hoe: "Mandidia mbô hipetrahan'ireto zanako roa lalahy ireto, ny araika akeo an-tanana ankavana ary ny araiky ake an-tanana ankavià, akô amin'ny fanjakanà."22Fô Jesosy namaly kè nivôlagna hoe: "Tsy hainaré ny raha angatahinaré. Afaka ny hisotro ny kapoaka izay ho hisoako mô ianaré?" Namaly zareré hoe: "Afaka zahay." 23Ahoziny taminjaré ré hoe: "Hisotro ny kapoaka tokoa naré fô nipetraka an-tanana ankavananahy sy ankaviako de tsy anjarako no magnamià, Fô ani'ré izay efa namian'ny Babako." 24Kôfa naharegny izegny iré mpianatra fôlo lahy hafa, de vignitra mafy tamin'iré mpirahalahy aroe.25Fô Jesosy nagnantso anjaré ré hakeo aminanjy kè nivôlagna hoe: "Fantatraré fô zaré mpanapak'iré Jentilisa de amehy ananjy iré, ary iré lalahy manan-danjan-jaré de hampianatra ny fahefany akô aminjaré. 26Fô tsy tôkony karaha izegny ny aminaré. Mifanôhitra amin'izègny, na zôvy na zôvy magniry ny holasa maventy aminaré de tsy maintsy ho mpanomponjaré, 27ary na zôvy na zôvy ny ho voalôhany aké aminaré de tsy maintsy ho mpanomponjare, 28karaha ny Zanak'ôlogno tsy tonga ho tompigna, fô hanompo, kè agnamia ny aignany mbô ho vidim-panavôtagna ho an'ny maro."29Kô nimboaka avy tagny Jeriko zaré ré, de fokonolo fontry no nagnaraka ananjy. 30Nisy lalahy jamba roa nipetraka takeo amôron-dalagna. Kôfa naharegny fô nandalo Jesosy, de ihaiky mafy zaré ré hoe: "Tompo, zanak'i Davida, mamindra fô aminay" 31Nisiahin'iré fokon'ôlo, nivôlagnanjaré ré mbô hangina, nakèfa vao maika zaré ré nagnantso mafy hoe: Tompo, zanak'i Davida, mamindrà fô aminay."32Avy aké Jesosy nidôko kè nagnantso anjaré ré kè nivolagna hoe: "Ino no fagnirianaré ho ataoko aminaré?" 33Ahozinjaré ré taminanjy hoe: ''Tompo, mbô hahiratra ny masonay" 34Avy také Jesosy, nahinakinaka, kè nikitika ny masonjaré ré. Tonga de nahiratra zaré ré kè nagnaraka Anajy.

Chapter 21

1Raha nagnantogna an'i Jerosalema Jesosy sy ny pianany kè nandeha Betifaga, akagny an-tampontanetin'Oliva, de nagnandefa mpianatra aroe Jesosy, 2nivôlagna taminjaré ré hoe: "Mandihana akô aminin'izay tanety fagnaraka ako, fô akeo akeo anareo de hahita boriky mifehy avaké zana-boriky raika miaraka aminanjy. Vahao zaré ké indôsy aty aminahy. 3Kô misy mikoragna aminaré mômba izégny, de volagno hoe: 'Misy ilan'ny Tompo anjaré ré,' ké aké aké izégny ôlogno izégny de handefa an'iré miaraka aminaré.''4Ké nitrandra izégny mbô hahatantéraka izay nambara tamin'ny alalan'ny mpaminany. Aoziny hoe: 5''Ivolagno ny zanaka viavin'i Ziona hoe: 'Egy, ny mpanjakanà magnantona anà, magnetry tegna ké mitikina boriky-zana-boriky lahy.'''6Avy také de lasa iré mpianatra ké nagnano karaha izay nandidiàn'i Jesosy anjaré ré. 7Nindôsinjaré ré ilay apondra sy ilay zana-boriky ké namétraka ny lambanjaré ré také aminanjy, ké nipétraka také amin'ilay lamba Jesosy. 8Ny ankamaroàn'ny fôkon'ôlo de namélatra ny lambany tamin'ny tany, ary iré hafa nanapaka sampan-kakazo ké nanaparitaka izégny tamin'ny lalana.9Avy aké iré fokon'ôlo nialôha an'i Jesosy sy iré izay nagnaraka ananjy nitabataba hoe: "Hosana ho an'ny zanak'i Davida! Isaoragna ilay Tonga avy amin'ny anaran'ny Tompo! Hosana agny amin'ny avo indrindra!" 10Kofa niditry takô Jerosalema Jesosy, de nihaiky ny ray tanàna kè nagnano hoe: "Izovy mô io? 11Ny fokon'ôlo namaly hoe: "Izy no Jesosy ilay mpaminany avy agny Nazareta akagny Galilia."12Avy také niditry takô an-tempoly Jesosy. Niroasigny aby iré mpividy sy mpivarotre takô an-tempoly, avaké navadiny ny latabatr'iré panakalo vôla sy ny fipitrahanjaré mpivarotra pizina. 13Aozy taminjareré hoe: "Efa voasôratra hoe: 'Ny tranoko de antsovigna hoe trano fivavahana,' kanèfa ataonaré zohy fivonian-jolahy." 14Nony avy také de nisy jamba sy kotrila nagnantona ananjy takô an-tempoly, kè nositraniny zaré ré.15Fô kôfa nahita ny raha mahagaga natôny ny lehiben'ny mpisorona sy ny mpanôra-dalàna, ary kôfa regninjaré ré ny zamadinika niheikèky takô an-tempoly hoe: "Hosana ho an'ny zanak'i Davida" de vignitra mafy zaré ré. 16Aozinjaré ré taminanjy hoe: "Regninaré mô izègny volagnin'iré ôlogno iré?" Namaly ananjy iré jesosy hoe: "Ia! Fô tsy mbôla nivakinaré foagna mô ny hoe: 'Avy amin'ny vavan-jamadinika sy ny zaza minono no nampanajarigna ny fiderana?" 17Avy také nandao ananjy iré Jesosy kè nandeha tagny amin'ny tanànan'i betania ary nidôko tako ny alina.18Ary kôfa nandraigna kô niherigna tagny an-tanàna izy, 19de tehinana. Nahita kakazon'aviavy také an-tsisin-dalana, de nagnantona tegny izy kè tsy nahita ns inona na inona také izy kô tsy raviny. Aoziny taminy hoe: "Anö tsy hisy voa intsony avy aminà mandrakizay," kè niaraka taminjany de maina ilay aviavy.20Kôfa nahita izègny iré mpianatra, de variagna kè nivôlagna hoe: "Karakory no tônga de nahamaina itô aviavy itô?"21 Namaly Jesosy kè ny vôlagna ananjy iré hoe:"Volagniko marigna aminaré, kô manam-pinoagna sy tsy misy fisalasalagna anaré, de tsy izay natao tamin'io aviavy io foagna no ataonaré, fô na de hivôlagna amin'tô tampon-tanety itô aza hoe: 'mivota kè mivarigna agny an-dranomasina', de ho atao izègny.22 Na ino na ino angatahinaré ambavaka, am-pinoagna, de ho azonaré."23Kôfa niditry takö an-tempoly Jesosy, de nagnatona ananjy ny lehiben'ny mpisorona sy ny zokiôlogno kôfa nampianatra Izy kè nivôlagna hoe: "Fahefagna avy akaiza mô no anaovanà iregny raha iregny, ary izôvy no nagnamia anà izegny fahefagna izegny?" 24Namaly Jesosy kè nivôlagna taminjaré ré hoe: "Amitrahako fagnotaniagna araiky koà anaré. Kô volagninaré aminahy, de ho volagniko aminaré ny fahefagna agnanovako iregny reha iregny.25Ny batisan'i Jaona - avy takaiza no niaviany? avy takagny an-dagnitra sa avy tamin'ny ôlombelogno?" Niady hevitra zaré ré, nagnano hoe: "Kô mivôlagna antsika hoe, 'Avy tany an-danitra,'Izy nivôlagna amintsika hoe: 'Kè magnino anaré no tsy nino ananjy?' 26Kôfa mivôlagna isika hoe: 'Avy tamin'ny olombelogna', mataotra ny fôkon'ôlo isika, satria izy zaré jiaby de misaigna an'i Jaona karaha ny mpaminany." Kè namaly an'i Jesosy zaré ré kè nivôlagna hoe: "Tsy fantanay." 27Ary aozy koa de tsy hivôlagna aminaré hoe avy takaiza ny fahefagna agnanaovako iregny raha iregny.28Fô ahoana ny hevitranaré? Nisy lalahy araiky nanagna zanaka lahy roa. Nandeha akagny amin'ilay voalohany izy ary nagnano hoe: 'Anaka, mandehàna miasa agny amin'ny tanim-boaloboka niany.' 29Ilay zanany lahy namaly ananjy hoe: ''Tsy ho agny zaho,'' fô avitaké niôva hevitry izy dé lasagna. 30Avitaké dé nandeha takagny amin'ilay faharao izy ary nivôlagna karanjegny kôa. Namaly izy ké nivôlagna hoe: ''Ho agny izaho, tompoko,' kanefa tsy nakany izy.31Izovy taminjaré zanany roa ireo no nagnano ny sitrapon'ny rainy?" Avaké aozinjaré hoe:"Izay voalôhany." Jesosy nivôlagna ananjy iré hoe: "Volagniko marigna aminaré, iré mpamory hetra sy iré mpivaro-tegna de hiditra ny Fanjakan'Andriamanitra alôhanaré. 32Kè Jaona nagnantona anaré tamin'ny fahamarinana, kè tsy nino ananjy anaré. Fô iré mpamory hetra sy mpivaro-tena nino ananjy. Fa anaré, na de nahita izaigny aza, de tsy nibebaka sy tsy nino ananjy.33Tandrigneso ity fanoharagna araiky hafa ity. Nisy lalahy araiky, tompon'tany. Nagnano tanim-boaloboka izy, nofefeny izany, nandavahany famiazana tao anatiny, nananganany tilikambo, ké nampifondroany tamin'iré mpamboly voaloboka. Avitaké dé nandéha tagny amin'ny tagna hafa izy. 34Nony nahariny ny taom-pahavokarana, dé nagniraka ny sasany tamin'iré mpanompo izy ho agny amin'iré mpamboly voaloboka hangalaka ny vokatrany.35Fô nisamborin'iré mpamboly voaloboka iré mpanompony, nilamohiny ny araiky, nivoniny ny hafa, dé mbôla nivalavalana vato ny hafa. 36Fô mbôla, nagnandefa mpanompony hafa indraiky ilay tompon-tany, fontry noho ny tamin'ny voalôhany, fô natônjaré ré karaha izegny koà. 37Tafaran'izegny, de nagnasa ny zanany lahitôkagna tagny aminjaré ny tompon-tany, nivôlagna hoe: 'hagnaja ny zanakanahy zaré ré.'38Fô kôfa nahita ilay zanakany lalahy iré mpamboly voaloboka, de nifampizaka zaré ré hoe: 'Itô ny mpandôva. Indaha, ho vonointsika izy ké ho alaintsika ny lôva.' 39Noho izegny de nosamborinjaré ré izy, natsipy takô anatin'ny tanim-boaloboka ké novonoina.40Ary kôfa tônga ny tompon'ny tanim-boaloboka, ino raha ataony amin'iré mpamboly voaloboka?''. 41Aozinjaré ré taminanjy hoe: ''Ho ringanina amin'izay fômba mafy indrindra iré ôlon-doza, ary avaké afondrony amin'iré mpamboly voaloboka hafa ny tanim-boaloboka, ôlogna hagnomia ananjy ny anjara voliananjy amin'ny fotoam-pahavokaragna.''42Jesosy nivolagna tamin'izy iré hoe: ''Tsy mbôla namaky ny sôratra mihitsy va anaré hoe: 'Ny vatotsy nikeny mpanangan-trano ké natô vato fehizoro. Avy tamin'ny tompo izegny, ké nahatalanjogna eo amasontsika'?43Noho izegny volagniko aminaré, halagna aminaré ny fanjakan'Andriamanitra ké hatolotra ny firenena izay mamokatra iré vihiny. 44Na izôvy na izôvy ho lavon'io vato io de hopotipotika. Fô izay ilavoàny kosa de ho torotoro.''45Rehefa nandré iré fanoharany irè ny lehiben'ny mpisorona sy iré Fariseo, de azon'izy iré fô ahakasika azi iré no novolagniny. 46Nikasa ny hanambotra azy, saingy natahotra ny vahoàka izy iré, satria nataon'ny ologna ho mpaminany izy.

Chapter 22

1Nivôlagna tamin'ny fagnoharagna tamin-jaré ré ndraiky Jesosy, nagnano hoe: 2''Ny fanjakan'ny lagnitra de mitôvy amin'ny mpanjaka zay nagnomagna fagnasagna amin'ny fampakaram-bady ho an'ny zanany lalahy. 3Nagnasa iré mpanompony hagnatso irè zay nahazo fagnasana hagnatrika ny lagnonam-pampakaram-bady izy, fô tsy nety ho tonga zaré ré.4Nandefa iré mpanompony hafa ndraiky ny mpanjaka, magnano hoe: 'Ivolagno iré zay nasaigny hoe: ''Zahavo, efa nikarakaraiko ny hanignako. Efa nivonigny ny aomby sy ny zanak'aomby mifahianahy, ary efa vognogno ny raha jiaby. Tongava akô amin'ny lagnonam-pampakaram-bady.'''5Kanefa tsy niraharaha zaré ré ary lasagna nandeha, ny araiky namonjy ny toeragna fitarimiagnany, ny hafa tamin'ny raharaham-barotrany. 6Iré sanany nanambotra iré mpanompon'ny mpanjaka, nagnala baraka ananjy iré, sady namono ananjy iré. 7Vignitra ny mpanjaka ké nagnasa ireo maramilany, sady namono mpamono ôlogno iré zaré ré, sady nagnoro ny tanàgnany.8Avy také nivolagna mpanompony izy hoe: 'Efa vonogna ny fampakaram-bady, fô iré izay nasaigna no tsy mendrika. 9Noho izegny mandehana eny amin'ny sampanan-dalabe ary magnasa ôlogno maro araka izegny hitanaré ho ao amin'ny lagnonagnam-mpampakaram-bady.' 10Nandéha nivoàka tagny amin'ny lalan-dehibe iré mpanompo ké nanambatra ny ôlogna jiaby izay hitan'izy iré, na ny ratsy. Noho izegny de feno vahiny ilay efi-tragno lehibe nisy ny fampakaram-bady.11Fô kôfa niditra ny mpanjaka mbô hizaha iré vahiny, de nahita lalahy tsy manatô lamba fitôndra amin'ny fampakaram-bady izy. 12Nivôlagna tamin'ny mpanjaka hoe: 'Ry sakaiza, ahoana no hidivanà atô tsy miaraka amin'ny fitafy findôsina amin'ny fampakaram-bady?' Fô tsy tafizaka ilay lalahy.13Avy aké nivôlagna tamin'iré mpanompony ny mpanjaka hoe: 'Fatôry ny tagnana sy ny hongotr'itô lalahy itô, ké atsipazo agny amin'ny mizigna agny ivélany Izy, agny no misy fitomagniagna ndraiky fikotroha-nify.' 14Fô fôntry ny ôlogno nantsovigna, kanéfa vitsy no ho voafidy.15Avy takè nandeha iré Fariseo ké nagnomagna ny fômba mety hamandrihagna an'i Jesosy amin'izay nivolagniny. 16Avy také nasain'izy iré, andeha amin'iré mpianatr'izy iré, niaraka tamin'iré herodianina. nivolagna tamin' i Jesosy izy iré hoe: ''Ry mpampianatra, fantanay fô marigna anô, ké mpampianatra ny lalagn'Andriamanitra amin'ny marigny. Tsy miraharaha ny hevitry ny hafa anô, ary tsy mizaha mitagnila. 17Noho izegny volagno aminay, ino ny hevitrano? Ara-dalagna ve ny fandoavan-ketra agny amin'i Kaisara sa tsia?''18Nefa azon'i Jesosy ny faharatsiagnan'iré ké nivolagna hoe: ''Nagnino no mitsapa anahy anaré, ry mpihatsaravelatsihy? 19Atoroy anahy ny farantsa amin'ny hetra.'' Avy také nitondra denaria také aminanjy zaré ré.20Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: ''Aninjovy itô sary sy agnaragna itô?'' 21Nivolagna taminanjy iré hoe: ''An'i kaisara.'' Avy takeo Jesosy nivolagna ananjy iré hoe: ''Amezo an'i Kaisara irè izay an'i Kaisara, ké an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.'' 22Rehefa naregny izegny izy iré, de gaga. ké niala také amin'izy iré ké nandéha.23Amin'izegny andro izegny ihany ny Sadoseo sasany, iré izegny nilaza fô tsy misy fitsangagnana amin'ny maty, nagnatogna ananjy iré, 24nagnano hoe: ''Ry mpampianatra, Mosesy nivolagna hoe: 'Raha maty ny ôlogno, tsy mananjanaka, de tokony hanambady ny vadiny ny rahalahiny de hanan-janaka ho an'ny rahalahiny.25Nisy mpirahalahy fito. Nanambady ny voalôhany ké maty avy také. Lasagna tsy naméla zanaka, navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny. 26Avy také nagnano raha nitovy amin'izegny ny faharoa, avy také ny fahatelo, karanjegny foagna amin'ilay rahalahy fahafito. 27Tafara izy jiaby iré, de maty ilay vahaiavy. 28Ké amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'njovy amin'iré mpirahalahy fito izy? Fô efa nanambady azy izy jiaby iré.''29Kè namaly Jesosy avitaké novôlagna ananjy iré hoe: "Diso anaré, satria tsy mahafantatra ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.30Kè amin'ny fitsanganan'ny maty dé sady tsy hanambady ananjy izaré no tsy amiagna ampankarigna. Kanèfa, mitovy amian'iré anjely any an-danitra.31Fô momba ny fitsanganan'ny maty, mbôla tsy nivakinaré mô izay nizaken'Andriamanitra taminaré, magnano hoe: 32'Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba'? Andriamanitra de tsy Andriamanitry ny maty, fô an'ny velogno." 33Kôfa narégny izegny iré fokon'ôlogno, de variagna tamin'ny fampianaragna.34Kôfa regnin'iré Fariseo ny nampanginan'i Jesosy ny Sadoseo, de niara-nivondrona izaré ré. 35Ny araiky taminjaré ré, mpahay lalàna, nametra-pagnontaniagna taminanjy, nalaka fagnahy ananjy hoe:36 "Ry mpampianatra, izovy no maventy be kokoa amin'ny didy akô amin'ny lalàgna?"37Nivôlagna taminanjy Jesosy hoe: "Tiavo amin'ny fonaré jiaby, amin'ny fagnahinaré jiaby, draiky amin'ny saignanaré jiaby ny Tompo Andriamanitraré.' 38Izègny no didy maventy sy vôlôngany.39Fô ny didy faharoa de karaha izègny koa: 'Tiavo ny mpiara-belogna aminaré karaha ny tegnanaré.' 40Amin'iré didy aroa iré no iankignan'ny lalàgna jiabijiaby sy iré mpaminany."41Fô kô mbola niaraka nivondrogna iré Fariseo, de nametra-pagnontaniagna ananjy iré Jesosy. 42Aoziny hoe: "Ino no iritreritraré momban'i Kristy? Zanaka lalahinjovy izy?" Nikoragna taminanjy iré hoe: "zanakan'i Davida."43Aoziny Jesosy taminajaré ré hoe: "Nagnino ary Davida nidôko akô amin'ny Fanahy no nagnantso ananjy hoe Tompo, nagnano hoe: 44'Ny Tompo nivôlagna tamin'ny Tompoko hoe: "Mipitraha aké amin'ny tagnana ankavanagna anahy, mandra-pagnanôvako ny fahavalonà ho fitoeran-tongotranà?'45Kô Davida aza nagnantso an'i Kristy hoe: 'Tompo, 'de akôry no maha-zanakan'i Davida ananjy?" 46Tsisy navôavaly Ananjy tamin'ny koragna, ké tsisy ôlogno nasahy nametraka fagnontaniagna hafa heky nanomboka tamin'izegny andro izegny.

Chapter 23

1Ary Jesosy nivôlagna tamin'iré fokon'ôlogno sy iré mpianatrany. 2Aoziny hoe: ''Iré mpanôra-dalàgna sy iré fariseo de mipetraka aké amin'ny fipitrahan'i Mosesy.' 3Noho izégny na ino na ino andidianjaré ré anaré ho atô, de atôvy iregny raha iregny ké mitandrema ananjy iré. Fô aza alaigna tahaka ny asanjaré ré, satrià zaré ré de mikora-draha kanéfa avy aké tsy magnano izégny4Ka, fatôranjaré ré ny entamavesatra izay sarotra indôsigna, ary avy aké de apetrakanjaré ré aké amin'ny soroky ny ôlogno. Fô tsy hanetsika ny ratsan-tanana raika aby ny tegnanjaré ré mbô hotôndra ananjy iré. 5Magnano ny asany jiaby zaré ré mbô ho hitan'ôlogno. Fô atônjaré ré malalaka ny filakiterany, ké itarinjaré ny morondambany.6Tian'jaré ré ny toeran'ny manan'kaja agny amin'ny fagnasagna sy ny toeran'ny lehibe akô amin'ny synagoga, 7sy ny fiharabagna miavaka aké am'pivarotagna, ké mbô antsôvin'ologna hoe 'Raby'.8Fô ianaré tsy mahazo antsovigny hoe: 'Raby', fô araiky foàgna ny mpampianatranaré, kè mpirahalahy anaré jiabijiaby. 9Kè aza magnantso ny ologno aty an-tany hoe rainaré, fô araiky foàgna ny rainaré, kè izy de agny an-danitra. 10Ianaré aza magneky antsovigna hoe: 'Mpampianatra', fô araiky foàgna ny mpampianatraré, de i Kristy.11Fô izay lehibe indrindra amin'naré no ho mpanomponaré. 12Na izovy na izovy magnambony tegna de ahetry, ké na izovy na izovy magnambany ny tegnany de hasandratra.13Fô lozanaré, ry mpanora-dalàgna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fô arindrinaré amin'ny ôlogna ny fanjakan'ny lagnitra. Fô anaré tsy mampiditra ny tègnanaré, kè tsy avelanaré iré zay mitady hiditra. 14[Fanamarihagna: Ny antotan-taratasy talôha de tsy ahitagna ny fehezanteny hoe: 'Fô lozanaré, ry mpanora-dalàgna sy ny fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fô mandany ny tragnon'ny mpitondra tégna, ké magnano vavaka lavareny anaré. Noho izégny de hahazo fagnamelohagna be ianaré.'] 15Lozanaré, ry mpanôra-dalàgna sy ny fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fô mandeha mitety ny ranomasigna sy ny tany anaré mbô hampiôva fô ny ôlogna araiky, ké kôfa miôvy izy, de atônaré ny zanaky ny helo ambo roy heny mihoatra indroy noho anaré izy.16Lozanaré, ry mpitarika jamba, anaré izay mivôlagna: 'Na zôvy na zôvy mianiana amin'ny tempoly, de tsisy dikany izégny. Fô na zôvy na zôvy mianiana amin'ny vôlamenan'ny tempoly, de voafatotry ny fianianany izy.' 17Anaré ry jamba mahôla! Zôvy no mahaventy kokoà, ny vôlamena sa ny tempoly izay magnano ny vôlamena masigna?18Ary na zôvy na zôvy mianiana amin'ny alitara, de tsisy dikany izégny. Fô na zôvy na zôvy mianiana amin'ny fanatitra izay aké ambonin'izégny, de voafatotry ny fianianany izy.' 19Anaré ry ôlogno jamba! izôvy no maventy kokoà, ny fanatitra sa ny alitara izay magnano ny fanatitra ho masigna?20Noho izégny, izay mianiana amin'ny alitara de mianiana amin'izègny sy amin'ny raha jiaby aké amboniny. 21Ny araiky izay mianiana amin'ny tempoly, de mianiana amin'izègny sy amin'izay mipetraka aké aminanjy, 22ary ny araiky izay mianiana amin'ny alitara, de mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy aminy izay mipetraka aké ambonin'izégny.23Lozanaré, ry mpanôra-dalàgna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fô magnefa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina anaré, fô anaré de mankatoa ny raharaha mavesa-danja kokoà amin'ny lalàna de ny rariny sy ny famindram-pô ary ny finoagna. Fô iré no tôkony natônaré ké tsy tôkony nambelanaré ho tsy vita ny raika hafa. 24Anaré ry mpitarika jamba, anaré izay minivana lalitra kanéfa miteligna raméva!25Loza ho anaré, ry mpanôra-dalàgna sy fariseo mpiatsaravelatsihy! Fô diovinaré ny ivélan'ny kampoàka sy ny lasety, kanéfa ny akô anatiny de feno fitsiriritana sy filagna. 26Anaré ry fariseo jamba! Diovy alôha ny akô anatin'ny kapoàka sy ny lasety mbô ho lasa mady hiany koà ny ivèlany.27Loza ho anaré, ry mpanôra-dalàgna sy fariseo mpihatsaravelatsihy! Fô anaré de karaha ny tragnomanara voaloko fotsy; izay tsara ivelany, fô ny akô anatiny kosa de feno ny taolam-paty sy ny loto jiaby. 28Karaha izégny fogna koà, ety ivelany anaré miseho ho marigna aké amin'ny ôlogno, kanéfa ny akô anatinaré de feno fihatsaram-belatsihy sy heloka.29Loza ho anaré, ry mpanôra-dalàgna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fô monorigna ny tragnomanaran'ny mpaminany anaré ké manaingo ny tragnomanaran'ny ôlo-marigna. 30Aozy anaré hoe: 'Kô niaina tamin'ny andron'ny razambetsika atsika, de tsy ho nandray anjara niaraka taminjaré ré tamin'ny fandatsahana ny ràn'ny mpaminany atsika'. 31Noho izégny de mijoro vavolombelogno amin'ny tegnanaré anaré fô zanakan'iré izay namono ny mpaminany.32Anaré hiany koà de nahafeno ny fahotan'iré razambenaré, 33anaré ry bibilava, anaré ry taranaky ny mantongoro, ahoagna no hilifasanaré ny fagnamelohana ho agny amin'ny helo?34Noho izégny, indro, magnasa mpamigny sy ôlon-kendry ndraiky mpanôra-dalàgna ho anaré Zaho. Ny sasany aminjaré ré de ho vonoinaré sy hombohanaré; ary ny sasany ho lamohinaré ké hiala akô an-tanàna. 35Ny vokatr'izégny de hanody anaré ny rà marigna jiaby izay nalatsaka takéto an-tany, nanômboko tamin'ny ràn'i Abela marigna, ké hatramin'ny ràn'i Zakaria zanak'i Barakia, izay novonoinaré také anelanelan'ny fitoerana masigna sy ny Alitara. 36Vôlagniko marigna aminaré, fô ny razanaré jiaby de ho tônga amin'itô taranaka itô.37Ry Jerosalema, ry Jerosalema, anà izay mamono ny mpaminany sy mambalavala izay asaina ho aminà! Impiry Zaho no magniry ny hanangona ny zanakanà miaraka, karaha ny akaho vaviny araiky manangona ny akoho hely akô ambany elatrananjy, kanéfa tsy nagneky anaré! 38Indro, ny tranonaré no ambéla ho anaré. 39Fô volagniky aminaré, hatraminjô, tsy hahita Anahy tokoàtra anaré mandra-pivolananaré hoe: 'Isaorana ane izay avy amin'ny anaran'ny Tompo.'''

Chapter 24

1Nivôaka ny tempoly Jesosy ké lasagna nandèha. Nagnatogna ananjy iré mpianatrany mbô hagnatoroagna ananjy ny rafitrany tempoly. 2Néfa namaly izy ké nivôlagna tamin'jaré ré hoe: ''Tsy hitanaré vô iré raha jiabijiaby iré? Volagniko marigna aminaré, tsy ho isy vato ho tavèla amin'ny araiky hafa izay tsy ho ravàgna.''3Kô nipètraka také an-tendrombohitr'Oliva Izy, de nagnatogna ananjy mangingina iré mpianatrany kè nivôlagna hoe: ''Zakèo anay, hoviagna iré raha jiabijiaby iré no hivôaka? Ino no famataragna ny fahatongavanà sy ny fara-andro?'' 4Namaly Jesosy kè nivôlagna ananjy iré hoe: ''Mitandréma mbô tsy hisy hamitaka anaré.'' 5Fô ho fôntry ny ho avy amin'ny agnarako. Kè hivôlagna zaré ré hoe: 'Izaho no kristy,' kè fôntry no ho voafitaka.6Haregny ady sy tatitr'ady anaré. Mitandréma mbô tsy hitaitaigna anaré, fô tsy maintsy hipoitra izégny raha jiaby izégny; kanéfa tsy mbôla tônga ny faragny. 7Fô hisy firenena hitsangana hanôhitra firenena, ary fanjakana hanôhitra fanjakana. Hisy siloagna sy horohon-tany amin'ny toerana samby hafa. 8Kanefa izégny raha jiaby izégny de fiandohan'ny fanaintainan'ny fitirahagna foagna ihany.9Ké ho atolotranjaré ré ho amin'ny fahoriagna anaré ké ho vonoiny. Ho halany firenena jiaby anaré nohon'ny anarananahy. 10Ary fôntry ny ho tafitohigna, ké hifamadika sy hifankahala ny tsiraikaraika. 11Mpaminagny sandoka fôntry no hisangana ké hamitaka ôlagna fôntry.12Satrià ny faharatsigna de hitômbo, ké fôntry ny hihamangatsika ny fitiavany. 13Fô ilay raika izay miharitra katramin'ny farany de ho voavonjy. 14Itô filazantsaran'ny fanjakana tô de ho toriagna erak'izao tontôlo izao ho vavolambelogna amin'ny firenena jiaby. Avy aké de ho tônga ny faragny.15Noho izégny, kô mahita ny fahavetavetan'ny fandravagna anaré, izay nivolagnin'i Daniela mpaminany, de hitsangana aké amin'ny toeragna masigna anaré'' (ôka ny ampamaky hahatakatra), 16''ôka iré izay agny Jodia hilefa ho agny an-tendrombôhitra, 17ôka izey akô an-tampon'ny tragno tsy hirôrogno halaka raha avy akô an-tragnony, 18ary ôka izay agny anatiala tsy hierigna halaka ny lambany.19Fô loza ho an'iré bikibo sy mampinono amin'izègny andro izégny! 20Mivavaha mbô tsy ho amin'ny ririnina na amin'ny Sabata no hisehoà ny filifasanaré. 21Fô hisy fahoriana matômboko, izay tsy mbôla nisy karaha izégny hatragny am-piandohan'izao tontôlo izao mandrak'ankehitriny, tsia, ké tsy hisy intsony. 22Izikoà tsy afoizigna iré andro iré, de tsy hisy nôfo ho vonjegna. Fô nohon'ny ôlom-boafidy, de hafohezigna iré andro iré.23Izikô misy ôlogno mivôlagna aminaré hoe: 'Itô, ilay Kristy' na, arô ilay Kristy' de aza mino izégny. 24Fô ny Kristy sandoka sy ny mpaminany sandoka de ho avy aké hampiseho fahamantaragna matômboko sy raha mahagaga, mbô hametsy, kô azo atô ià fô na iré ôlom-boafidy aza. 25Indro efa, nivolagniky anaré mialôhan'ny fotoagna.26Kè izagny, kô mivôlagna anaré izy iré hoe: 'efa, angy an-efitra,' dé aza mandeha an-efitra. Na hoe 'igny, agny anaty efitragno izy' de aza mino izègny. 27Fô karaha raha izay mibiagna avy akagny antsinanana ka mazava foagna andrefana, dé karaha izègny ny fahatongavan'ny Zanak'ôlo. 28Na akaiza na akaiza misy biby maty, de akagny no hivorian'ny voltara.29Kôfa vao afaka ny fahoriagna amin'iré andro iré de ho maizigna ny masoandro, tsy agnamia ny hazavagna ny volagna, hilatsaka avy akagny an-dagnitra ny kintagna, avaké hietsiketsika ny herin'ny lanitra.30Avaké de hivoaka aké amin'ny lanitra ny famantaran'ny Zanak'ôlo, kè ny foko jiaby ambon'ny tany hisaona. Hahita ny Zanak'ôlo tonga amin'ny rahogna ny lanitra miaraka amin'ny hery sy voninahitra maventy izy iré. 31Mandefa iré anjeliny izy miaraka amin'ny feo trompetra mafy, kè hamory ny ôlom-boafidiny avy akagny amin'ny vazan-tany efatra izy iré, manomboka amin'ny faravodilagnitra kè hafarany amin'ny hafa.32Mianara ny lesogna avy amin'ny aviavy. Kôfa vantany kofa matoy ny sampana ary mamoaka ny raviny, dé fantatraré fô miamariny ny fahavaratra. 33Karaha izègny koa, kôfa mahita izègny raha jiaby izégny ianaré, dé tokony ho fantatraré fô efa mariny izy, akeo amin'iré vavahady foagna.34Volagniko marigna aminaré, fô tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pivoahan'ny raha jiaby izegny. 35Tsy hisy koza ny lanitra sy ny tany, fô ny koragniko de tsy ho levogna mandrakizay.36Kanefa ny mahakasika izegny andro sy ora izegny de tsy misy mahafantatra, na ny Anjelin'ny lanitra aza, na ny Zanaka lalahy, fa ny Ray fôgna.37Karaha ny tamin'ny fotoagnan'i Noa, dé karaha izegny foagna koa ny fahatongavan'ny Zanak'ôlo. 38Fô karaha tamin'iré andro mialôhan'ny safo-drano dé nihinagna sy nisotro izy iré, nanambady sy nampakarigna mandra-pahatongan'ilay andro nidiran'i Noa takô anatin'ilay sambo fiara, 39kè tsy nahafantatra na ino na ino izy iré mandra-patôngan'ny safo-drano kè nandringana ananjy jiaby-de karahanjagny ny fihatongavan'ny Zanak'ôlo.40Kè avake hisy lalahy roa akagny agnantialany raika ho raisigna, ary ny raika ho avela. 41Vahiavy roa no hitoto vary - ny iraika ho raisina, kè ny iraika ambela. 42Kôfa izagny de miambena, fô tsy fantatraré izay fotoagna hatongavan'ny Tomponaré.43Fô fantaro izao, kô fantatry ny tompon-trano hoe amin'ny firy aligna no hatongavan'ny mpangalatra, de ho niambigna izy ké tsy nagnambela ny tranony ho vaky. 44Ké izegny de tsy maintsy mivognona ihany koa anaré ré, fô ho avy ny Zanak'ôlogno amin'ny ora tsy ampoizinaré.45Kè izôvy moa ilay mpanompo mahatoky sy hendry izay nasain'ny tompony hanapaka ny ankohonany mba amiagny ananjy iré ny sakafon'izy iré amin'ny fotoagna mety? 46Sambatra izagny mpanompo izègny izay hitan'ny Tompony fa magnano izagny kôfa tonga izy. 47Volagniko marigna aminaré fô ny tompony no hanapaka ananjy ho ambonin'ny raha jiaby izègny anagnany.48Kôfa misy mpanompony ratsy mivôlagna akô am-pony hoe: 'Ela fahatongavana ny tompoko', 49ka manomboka mamono iré manompo namany, sy mihinagna ary misotro miaraka amin'iré mpimamo; 50de ho avy ny tompon'ilay mpanompo amin'ny fotoagna izay tsy ampoiziny ke amin'ny ora izay tsy fantany. 51De ho kapakapain'ny tompony izy kè ho ataony karaha an'iré mpihatsaravelatsy ny anjarany, izay hisy fitomanina sy ny fikotroha-nify.

Chapter 25

1Ny fanjakan'ny lanitra dé ho karaha ny virjina folo izay nalaka ny jirony ka nandeha nihaona tamin'ny mpampakatra. 2Föka ny dimy tamin'izy iré fa ny dimy ndraika hendry. 3Kôfa nitondra iré jirony iré virjina föka, de tsy nitondra solika niaraka taminy. 4Fô iré virijina hendry kosa de nitondra fikajiagnan-tsolika niaraka tamin'ny jirony.5Kôfa tara ny mpampakatra, de taitaitra zaré jiaby ka nandry. 6Fô tamin'ny sasak'alina de nisy nagnantso mafy hoe: "Itô, ny mpampakatra! Mivoaha mba hitrötrö aminy."7Avaké nifoha iré virijina jiaby kè nikarakara ny jirony. 8Aozin'iré adala tamin'iré hendry hoe: "Mbô amia ampahany amin'ny solikaré izahay fô efa ho faty ny jironay. 9Kè namaly iré hendry kè nivôlagna hoe: "Sao de tsy ho ampy ho anay sy ho anaré, fô mandihana foagna akany amin'iré mpivarotra ké mividiana ho an'ny tegnanaré."10Kô fa nandeha nividy izy iré ré, dé tonga ny mpampakatra, ary izay efa vognona de niara-nandèha taminy ho akô amin'ny fanasam-panambadiagna, kè nividy ny vavahady. 11Kôfa afaka izégny de tonga ihany koa iré virijiny sasany ka nivôlagna hoe: 'Tompoko, Tompoko, mba vahao izahay'. 12Fô namaly izy kè nivôlagna hoe: 'Volagniko marigna aminaré, tsy mahafantatra anaré izaho.' 13Kè noho izégny mihambena, fa tsy fantatraré ny andro na ny ora.14Fô izégny de karaha ny lalahy raika izay handeha ho agny amin'ny firenen-kafa. Nagnantso ny mpanompony izy kè nampitantana ananjy iré ny haregnany. Ny raika taminjaré iré namiagna talenta dimy, 15ny raika hafa namiagna roa, ary ny raika hafa ndraiky namiagna talenta araiky. Ny tsiraikaika de somby nandray talenta araka izay fahezagny avy, ké nénga tamin'ny diàny izégny lalahy izégny. 16Ny raika izay nandray talenta dimy de nénga takéo kéo ké nampiasa ananjy iré.17Karaha izégny koà ilay raikia izay naharay talenta aroa nahazo aroa hafa. 18Fô ilay mpanompo araika kosa, nandeha ké niady lavaka tamin'ny tany, ké nandevina ny vôlan'ny tompony.19Ary tafaran'ny fotoagna ela de nierigna ny tompon'iré mpanompo iré ké nandamin-draharaha taminjaré ré. 20Niditry ilay mpanompo izay nandray talenta dimy no sady nitôndra talenta dimy hafa. Ahozy hoe: ''Tompoko, namianà talenta dimy zaho. Indro, nanatômbo talenta dimy hafa zaho.'' 21Ahozy ny tompony taminanjy hoe: ''Tsara izégny, ry mpanompo tsara sady mahatôky! Nahatôky tamin'ny raha tsy maro anà. Zaho hampihandraikitra anà amin'ny raha maro. Midira amin'ny fifaliàn'ny tomponà.''22Ilay mpanompo izay naharay talenta aroa de nagnantona sy nivôlagna hoe: ''Tompoko, naminà talenta aroa zaho, indro, nagnatômbo talenta aroa hafa zaho.'' 23Nivôlagna ananjy ny tompony hoe: 'Tsara izégny, ry mpanompo tsara sady mahatôky! Nahatôky tamin'ny raha tsimaro anà. Zaho hampihandraikitra anà amin'ny raha maro. Midira amin'ny fifaliàn'ny tomponà.'24Avy také ilay mpanompo izay naharay talenta araika nagnantona no sady nivôlagna hoe: ''Tompoko, haiko fô lalahy masiàka anà. Mijinja egny amin'izay tsy namafazanà, anà no sady manangom-bokatra egny amin'izay tsy nambolenà. 25Natahotra zaho, ké nandeha ké nanafigna ny talentanà takô anatin'ny tany. Zahavo, indro izay anà.''26Ary namaly ananjy ny tompony ké nagnano taminanjy hoe: 'Anà ry mpanompo ratsy sady malaigna, hainà fô zaho de minjinja egny amin'izay tsy namafazako sy manangom-bokatra egny amin'izay tsy namboleko. 27Noho izégny de tôkony namianà ny mpanjana-bôla ny vôlako, izikoà niherigna zaho de nandray ny anahy miaraka amin'ny antômbony.28Noho izégny alévo agny amin'ny talénta ké amezo ho an'ilay panômpo izay managna talénta fôlo izégny. 29Fô zay jiaby managna de hamegna be kokoà-mihoatra lavitry aza. Fô ho an'iré izè tsy managna na ino na ino koà, na zay hananany aza dia ho esorigna aminanjy. 30Ariào agny amin'ny mizigna agny ivelagny ny panompo tsy mendrika, agny no misy ny fitômaniagna sy ny fikotrôha-nify.31Izikoà tônga amin'ny voninahitrany ny Zanak'ôlogna sy ny anjely jiaby miaraka Aminanjy, de hipétraka aké amin'ny sezy fihandrihanan'ny voninahitrany Izy. 32Ary ny firenegna jiaby de hangonina aké anatrehany, ké hivavaka ny ôlogna iraika amin'iraika hafa Izy, karaha ny mpiandry ondry magnavaka ny ondry amin'ny osy. 33Hamétraka ny ondry ho aké ankavanany izy, fô ny osy aké ankaviàny.34Ary ny mpanjaka hivôlagna amin'iré zay aké an-tanagna ankavagnany hoe: 'Avià, anarè zay notahian'i Raiko, mandovà ny fanjakana zay efa voahomagna ho anaré hatrizay nagnorenagna an'izao tontôlo zao. 35Fô voasiloana Zaho de namianaré hanigna; tihinan-drano Zaho de namianaré ho sotroigna; nivahiny Za de nampandrosoinaré; 36nibolaina Zaho de nampitafianarè; narary Zaho nokarakarainaré; ary tany am-ponja Zaho de nakany Aminahy anaré.'37Ary iré marigna de hamaly sy hivôlagna hoe: 'Tompo, oviagna zahay no nahita anà voasiloana ké namahana Anà? Na tihinan-drano ké nampisotroanay? 38Oviagna Anà no hitanay nivahiny ké nampandrosoinay? Na nibolaigna ké nampitafianay? 39Oviagna zahay no nahita Anà narary na tagny am-ponja ké nakagny aminà? 40Ary ny mpanjaka namaly ké nivôlagna ananjy irè hoe: 'Vôlagniko marigna aminaré, zay nataonaré tamin'iregny rahalahiky hely indrindra iregny, de nataonaré tamiky.'41Ary izy hivôlagna amin'iré zay akè ankaviany hoe: 'Mialà aminahy, Anaré zay voahozogno, ho agny amin'ny afo mirehitra mandrakizay zay efa voahômana ho an'ny devoly sy iré anjeliny, 42satrià voasiloana Zaho, fô tsy namianaré hanigna; tihinandrano Zaho, fô tsy namianaré hosotroigna; 43nivahiny Zaho, fô tsy nampandrosoanaré; nibolaigna Zaho, kanéfa tsy nampitafianaré; narary sy takô am-ponja Zaho, fô tsy nokarakarainaré.'44Kè de hamaly koà zaré rè kéde nivôlagna hoe: 'Tompo! Oviagna zahay no nahita Anà voasiloana, na tihinan-drano, na nivahiny, na nibolaigna, na narary, na tagny am-ponja, ké tsy nanompo Anà? 45Ary Izy hamaly ananjy irè ké hivôlagna hoe: 'Volagniky marigna aminarè, fô zay tsy natônaré tamin'iraika tamin'irè madinika iré, de tsy natônaré taminahy.' 46Iré de halefa ho akô amin'ny fanasazina mandrakizay fô iré marina ndraika akô amin'ny fiainagna mandrakizay.''
Chapter 26

1Kôfa vitan'i Jesosy zégny koragna jiaby Izègny, de nivôlagna tamin'iré mpianatrany Izy hoe: 2''Hainaré fô afaka roa andro de ho tônga ny paska, ké hatolotra hombohana amin'ny kakazofijaliagna ny Zanak'ôlogna.''3Avy také ny lehiben'ny mpisorona sy ny lohôlogna niara-nivory takô amin'ny lapan'ny mpisôrogna-be, zay nantsoigna hoe Kaifa. 4Niara-nagnano tetika zaré ré mbô hisambôrana mangina an'i Jesosy ké hamono Ananjy. 5Fô ahozin-jaré ré hoe: ''Tsy amin'ny fety, mbô tsy hisiàn'ny korôntagna aké amin'ny ôlogna.''6Ary Jesosy kofa tônga takô Betania takô an-tragnon'i Simona boka, 7kô nipètraka nihinagna také amin'ny latabatra, dè nisy viavy araika nanagna tavoara alabastara feno ménaka lafo vidy nanantogna Ananjy, de nanina izégny tamin'ny lôhany. 8Fô kôfa hitan'iré mpianatrany izégny, dé vingitra zaré ré ké nagnano hoe: ''Ino no anton'izao fandaniagna zao? 9Afaka ambidy lafo ké namiagna iré mahantra iré.''10Fô Jesosy, nahay izégny, nivôlagnan-jaré ré hoe: ''Nagnino anarè no manahiran-tsaigna an-draviavy? Fô raha tsara no nataony taminahy. 11Aké aminaré mandrakariva ny mahantra, fô Zaho de tsy ho aké aminaré mandrakariva.12Fô kôfa nanidigna izégny ménaka magnitra izégny tamin'ny vatagnanahy izy, de nataony ho an'ny fagnariagna Anahy izégny. 13Volagniky marigny aminaré, na akéza na akéza hitoriàgna ny filazantsara akéto amin'izao tontôlo jiaby zao, zay nataon'itô viavy itô de hikoragnina foana koà ho fahatsiarôvagna ananjy.''14Avy té araiky tamin'iré roa ambinifôlo, izay nantsovigna hoe Jodasy Iskariota, nandéha akagny amin'ny lehiben'ny mpisôrogna 15ké nagnano hoe: ''Amenaré otrino zaho hagnomezako ananjy aminaré?'' Nandanja vôlafotsy hely telopôlo izy irého ananjy. 16Tamin'izegny fotoàgna izegny de nitady fahafahagna izy mbô hagnomezako ananjy amin'anjy irè.17Tamin'ny andro vôalôhan'ny môfo tsy misy lalivay de nagnatogna an'i Jesosy iré mpianatra ké nivôlagna hoe: ''Akaiza no tiànô hagnomagnanay ho anà hihinagna ny sakafon'ny Paska?'' 18Namaly izy hoe: ''Midira akô an-tanàgna misy lalahy araiky ké volagno izy hoe: 'Ahozin'ny Mpampianatra hoe: ''Éfa marivo ny fotoàgnako. Akato an-tragnonô zaho no hagnano ny paska miaraka amin'iré mpianatrako.''''' 19Nataoniré mpianatra araka izay nandidin'ny Jesosy izégny, ké hagnomagna ny sakafon'ny paska izy iré.20Raha tônga ny hariva, de nipétraka nihinagna niaraka tamin'ny mpianatra roa ambin'ny fôlo izy. 21Réhéfa nihinagna izy iré, de ahozy Izy hoe: "Volagniko Marigny aminaré fô hisy araiky aminaré hamadika anahy." 22Nalahelo izy iré ké nanômboko nagnontany Ananjy ny tsiarékiaréky hoe: "Tsy ho izaho mihitsy, ry Tompo?"23Namaly Izy hoe: ''Zay niaraka namarigna ny tagnany taminahy takô agnaty lasety no lay iraika hamadika zà. 24Handeha ny Zanak'ôlogno, araka zay efa voasôratra momba Ananjy. Nefa lozan'ny ôlogno zay hamadika ny Zanak'ôlogno! Tsara kôkoa ho an'izegny ôlogno izegny no tsy teraka akory.'' 25Jodasy, zay hamadika Ananjy nivôlagna hoe: ''Zaho vô izegny, Raby o?'' Hoy izy taminy hoe: ''Vôlazanà.''26Raha mbôla nihinagna zaré ré, de nangalaka ny môfo Jesosy, nisôtra, ké nanapaka izégny. Namiàny iré mpianatra izégny ké nivolagna hoe: ''Alaivo, hoano. Itô no vatako.''27Nandramby ny kapoàka izy ké nisôtra, ké nagnome izégny ananjy ké nivôlagna hoe: ''Ianaré jiaby, sotroy itô. 28Fô itô ny ràn'ny fanekem-pihavanagna àrotsaka ho an'ny fôntry ho famelan-keloka. 29Fô volagniko aminaré, fô tsy mbô hihinagna ny vôkatry ny voaloboka kôza Zaho, mandra-pihavin'ny fisotroagna vôvô hiarahako aminaré agny amin'ny fanjakan'ny Raiko.''30Raha nihira hira fideragna zaré ré, de nandeha tagny amin'ny tendrombohitr'i Oliva. 31Avakè ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: ''Anaré jiaby de handao anahy nohon'ny aminahy anio aligna, Fô voasôratra hoe: 'Hamely ny mpiandry ondry Zaho de hipariaka ny ondry.' 32Fô afaran'ny fitsanganako amin'ny naty, de hialôha lalagna anaré agny Galilia.''33Fô Petera nagnano taminanjy hoe: ''Na de handao nohon'ny aminà aza ny jiaby, zaho tsy mbô handao mihintsy.'' 34Ahozy Jesosy taminanjy hoe: ''Volagniko marigna aminà, fô zao aligna raha mbôla tsy magneno akoho, de handà Zaho intelo anà.''35 Petera nivôlagna taminanjy hoe: ''Na de tsy maintsy ho foaty miaraka aminà aza zaho, de tsy handà anà.'' Karaha zegny avokôa no novolagnin'iré mpianatra hafa.36Ary Jesosy nandeha niaraka taminanjy iré nankagny amin'ny toeragna antsigna hoe Getsemane ké nivôlagna tamin'ny mpianany hoe: ''Mipitraha aké raha mbôla handeha ery hivavaka Zaho.'' 37Nitondra an'i Petera mbamin'ny zanak'i Zebedio roa lahy Izy ké nanômboka nalahelo sy ory. 38Avaké ahozy izy taminjaré ré hoe: ''Fadiranôvagna ny fagnahiko, karaha efa ho foaty. Mipitraha aké ké mihambana miaraka aminahy.''39Nihataka hely Izy, niankôhoko ké nivavaka. Ahozy Izy hoe: ''Ry Raiko, raha azo atô, de ôka esorigna aminahy itô kapôka itô. Nefa, ôka tsy araky ny sitrapônà.'' 40Nagnantogna iré mpianatra Izy ké nahita azy iré resin-tory, ké ahozy Izy tamin'i Petera hoe: ''Ino, tsy mahavita miambigna miaraka aminahy na de lera araika aza vô anaré?41 Miambena ké mivavaha mbô tsy ho azon'ny fakam-pagnahy anaré. Mety ihany ny fanahy, fô ny nôfo no malemy.''42Mbôla nandeha fagnindroany Izy ké nivavaka. Ahozy Izy hoe: ''Ry Raiko, raha tô tsy azo esorigna aminahy itô raha tsy misôtro Zaho, de ho atô anie ny sitraponà.'' 43Niverigna indray Izy kè mbôla nahita ananjy iré natory, fô navesatra ny masonjaré ré.44 Ké nandao ananjy iré indray Izy, lasa ké nivavaka fanintelony, nivôlagna iré teny iré hiany.45Avakè Jesosy nagnatogna iré mpianatra ké nagnano taminjaré ré hoe: ''Mbôla mandry sy miala sasatra vô anaré? Zahavo, efa mariny ny lera, ké ny Zanak'ôlogno de hamiagna aké an-tagnan'iré mpanota.46 Mitsangàna, andeha isika. Zahavo, efa mariny lay hamadika Anahy.''47Raha mbôla nivôlagna Izy, de tônga Jodasy, raika amin'iré roa ambin'ny fôlo. Nisy vahoaka maro tônga niaraka taminy avy amin'ny lehiben'ny mpisôrogno sy iré lohôlogno. Tônga niaraka tamin'ny sabatra sy langilangy izy iré. 48Ké nagnamia famantaragna azy iré lay lalahy hamadika an'i Jesosy, magnano hoe: ''Zay horohako, no Izy. Sambory Izy.''49Také aké foagna de nagnatogna an'i Jesosy izy ké nivôlagna hoe: ''Finaritra, Raby!'' Ké nagnoroka Ananajy izy. 50Ahozy Jesosy taminy hoe: ''Avakè tônga zaré ré, naninjitra tanagna tamin'i Jesosy, ké nisambotra Ananjy.51Indro, araika tamin'iré niaraka tamin'i Jesosy nanapatra ny tanagny, nampitsoàka ny sabatrany, nikapa ny mpanompon'ny mpisorognabe, ké nahafaka ny tadigniny. 52Avy aké ahozy Jesosy taminajy hoe: ''Airegno amin'ny toerany ny sabatranà fô iré zay mandray sabatra de ho vonoigna amin'ny sabatra. 53Mieritreritra vô anaré fô tsy afaka magnantso ny Raiko Zaho, ary Izy de afaka mandefa ho Anahy tafik'anjely mihoatra noho ny aroa ambin'ny fôlo? 54fô atô karakôry izégny no hahatanteraka ny Sôratra Masina, zay mivôlagna fô tsy maintsy hitranga izégny?''55tamin'izégny fotoagna izégny Jesosy nivôlagna tamin'ny fokon'ôlo hoe: ''Tônga miaraka amin'ny sabatra langilangy hisambotra Anahy karaha ny jolahy vô anaré? Isanandro de nipétraka nampianatra také amin'ny tempoly Zaho, fô tsy nosamborinaré. 56Fô izegny jiaby izégny de nitranga mbô hahatantéraka zay voasôratr'iré mpaminy.'' Avy aké nandao Ananjy iré mpianatra jiaby ké niléfa.57Nindôsin'iré nisambotra Ananjy tagny amin'i Kaifa mpisonabé Jesosy, zay nivoriàn'iré mpanora-dalàgna sy lohôlogna. 58Fô Petera nagnaraka Ananjy avy egny alavitra makagny amin'ny kianjan'ny mpisorognabe. Niditry takô agnatiny izy ké nipètraka niaraka tamin'iré mpiandry raharaha mbô hahita izay hiafarany.59Ary iré vaventin'ny mpisorogna sy iré Synedriona jiaby de nitady fiampangagna tsy marigna manohitra an'i Jesosy, mbô mety ahafahanjaré ré mamono Ananjy. 60Tsy nahita na ino na ino zaré ré, na de nisy mpijoro vavôlombelogna maro tsy marigna tônga aza také. Ké helihely avaké de nisy roa tônga nagnatogna také 61ké nivôlagna hoe: ''Io lalahy io de nivôlagna hoe: 'Afaka mandrava ny tempolin'Andriamanitra Zaho ké manangagna zegny ndraika afaka telo andro.'''62Nitsangagna lay mpisorogna be ké nagnano taminanjy hoe: ''Tsy manan-kavaly vô anà? Ino izegny hiampanganjaré ré Anà zegny?'' 63Fô nangigna Jesosy. Ahozy ny mpisorogna be taminanjy hoe: ''Mandidy Anà amin'ny alalan'Andriamanitra velogna zaho, volagno aminay kôfa Anà no Kristy, Zanak'Andriamanitra.'' 64Jesosy namaly ananjy hoe: ''Voalazanà. Fô koragniko aminaré, manômboka niany de ho hitanaré ny Zanak'ôlogno hipetraka aké an-tagnana ankavanan'ny Hery, ké ho tônga aké amin'ny rahon'ny lagnitra.''65Avaké ny mpisorogna be nandrovitra ny akanjo ké nivôlagna hoe: ''Nivôlan-dratsy Zaré! Nahoana isika no mbôla mila mpijoro vavôlombelogno? Indro, renaré ny fivôlan-dratsy zao. 66Ino no hevitraré?'' Namaly zaré ré ké nagnano hoe: ''Mendrika ny ho foaty Izy.''67Avaké zaré ré nandrora ny tarehiny sy namango Ananjy, ké namango tefaka Ananjy,68 ké nagnano hoe: ''Maminanià aminany, ry Kristy. Zôvy namango Anà?''69Ary Petera nipetraka ivelan'ny kianja, kè nisy mpanompo viavy tônga nagnantogna ananjy nivôlagna hoe: ''Anà fô kô de niaraka tamin'i Jesosin'ny Galilia.''70 Fô nandà izegny takè agnoloanjaré ré izy, magnano hoe: ''Tsy fantako zegny volagninaré.''71Kôfa nivoaka ny vavahady zare, de nisy mpanompo viavy hafa nahita ananjy ké nivôlagna tamin'iré zay také hoe: ''Itô lalahy itô ndraika koà de niaraka tamin'i Jesosy avy agny Nazareta.'' 72Mbôla nandà ndraika izy niaraka tamin'ny fianiagnana hoe: ''Tsy fantatro zegny lalahy zegny!''73Kôfa afaka helihely de nagnatogna iré zay nitsangagna také kè nivôlagna tamin'i Petera hoe: ''Anà ndraika koà de tegna raika aminanjy iré, fô ny fômba fivôlagnanà de miampanga anà.''74 Avaké izy nanômboka nagnozogna sy niniana ké nagnano hoe: ''Tsy fantako zegny lalahy zegny.'' Ké také no aké de nagneno ny akoho. 75Tsaroan'i Petera ny vôlagna nokoragnin'i Jesosy hoe: ''Mbôla tsy magneno akoho de handà Zaho intelo anà.'' Avaké izy niboaka kè nitomagny mafy.
Chapter 27

1Izikoa tônga ny maraigna, de nikasa hanôhitra an'i Jesosy mbô hamono Ananjy iré lehiben'ny mpisôrogna sy ny lohôlogno jiaby. 2Zaré ré matahotro Ananjy, nitarika Ananjy tagny tivelany, ké nanolotra Ananjy tamin'i Pilato governora.3Ary Jodasy, ilay namadika Ananjy, kôfa nahita fô voaheloka Jesosy, de nibebeke izy ké nangerigna iré vôlafotsy telopôlo tamin'iré lehiben'ny mpisôrogna sy iré lohôlogna, 4ké nivôlagna hoe: ''Nanota zaho tamin'ny namadiako rà tsy manan-tsigny.'' Fô zaré ré nivôlagna hoe: ''Ahoànay ino? Anà izégny.'' 5De natsipiny takô an-tempolin'ny iré vôlafotsy, ké nénga, sy niboaka ary nagnatogna ny tegnany Izy.6Iré lehiben'ny mpisôrogna nalaka iré vôlafotsy ké nivôlagna hoe: ''Tsy ara-dalàgna ny mametraka itô akato amin'ny fitehirizam-bôla, satrià itô de vidin-drà.'' 7Niara-nikoragna ny olagna zaré ré ké nivanga ny sahan'ny mpagnano vilany tamin'iré vôla. 8Ké izégny no antony nagnatsovana izégny saha izégny hoe: ''Sahan'ny Rà'' mandrak'iniany.9Ké de tanteraka izay voalaza tamin'ny mpaminany Jeremia, magnano hoe: ''Nalaka ny vôlafotsy telopôlo zaré ré, vidy nanombanan'iré fôkon'ôlon'Israely Ananjy, 10ké zaré ré nagnamia izégny ho an'ny sahan'ny mpagnano vilany tanimanga, karaha ny natoron'ny Tompo anahy.''11Ary Jesosy nijoro také anolohan'ny governora, ary ny governora nagnontagny Ananjy hoe, ''Anaà mô no mpanjakan'iré Jiosy?" Jesosy namaly ananjy hoe: '' voalazanà.'' 12Fô kôfa nampangain'iré lehiben'ny mpisôrogna sy iré lohôlogna Izy, de tsy namaly na ino na ino. 13De nivôlagna taminy Pilato hoe: ''Tsy regninà mô ny fiapangana jiaby atao aminà?'' 14Fô tsy namaly na de teny araika aza Izy, nidanaka tantéraka noho izégny ny governora.15Ary isakin'ny firavoravogna de fômban'ny governora no mamôtsotro gadra araika voafidin'ny fokon'ôlo. 16Tamin'io fotoagna io, nanagna gadra malaza ratsy antsoigna hoe Barabasy zaré ré.17Noho izégny kôfa niara-niangona zaré ré, de ahozy Pilato taminjaré ré hoe: ''Zôvy no tianaré halefako ho anaré? Barabasy sa Jesosy izay antsovigna hoe Kristy?'' 18Hainy fô nohon'ny fialônagna no nanoloranjaré ré an'i Jesosy taminanjy. 19Kô nipètraka také amin'ny sezy fitsaragna izy, de nandefa koragna tamin'ny vadiny ké nagnano hoe: ''Tsy managna na ino na ino atao amitô lalahy tsy manan-tsigny itô zaho. Ory loatra zaho niany nohon'ny nôfy azoko mômba Ananjy.''20Ary iré lehiben'ny mpisôrogna sy iré lohôlogna nandresy lahatra ny fôkon'ôlo mbô hangataka an'i Barabasy, ké hampamono an'i Jesosy. 21Nagnontany ananjy iré ny governora hoe: ''Zôvy aminjaré aroa no tianaré alefako ho anaré?'' Aozin-jaré ré hoe: ''Barabasy.'' 22Pilato nivôlagna tamin-jaré ré hoe: ''Ino no tôkony ataoko amin'i Jesosy izay antsoigna hoe Kristy?'' Izy jiaby namaly hoe: ''Fantsiho amin'ny kakazofijaliagna Izy.''23De ahozy Izy hoe: ''Nahoagna, ino no heloky natôny?'' Fô vô maika zaré ré nihiaka mafy hoe: ''Fantsiho amin'ny kakazofijaliagna Izy.'' 24Fô kôfa hitan'i Pilato fô tsy afaka hagnano na ino na ino izy, kanefa efa nanômboka ny tabataba, de nangala rano izy, nanasa ny tagnany také agnatrehan'ny vahoaka, ké nagnano hoe: ''Tsy manan-tsigny amin'ny ràn'itô lalahy tsy manan-tsigny itô zaho. Fô asanaré zegny.''25Iré ôlogna jiaby nivôlagna hoe: ''Ho aminay sy ny zanakanay anie ny ràny.''26 De nalefany ho ananjy iré Barabasy, fô nively karavasy an'i Jesosy izy ké nanôlotra ananjy ho fantsihigna.27Avakè iré miaramilan'ny governora nangala an'i Jesosy takô an-dapa ké nagnangogna irè vondrogna miaramila jiaby.28 Nagnala ny fitafiany zaré ré ké nampagnano akanjo jaky ananjy.29 Nagnamboatra satro-boninahitra tsilo zarè ré ké nametraka zegny také an-dohany, ké nametraka tehigna také amin'ny tagnany ankavanagna. Nandohalika také agnatrehany zarè ré ké nagneso ananjy, nagnano hoe: ''Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!''30Nororainjaré ré zaré, ké nalainjaré ré ny tehigna de namango ananjy im-be de be také amin'ny lohany. 31Kôfa avy nagneso ananjy zaré ré, de nagnala ny akanjo lavany ké nampiakanjo Ananjy ny fitafiany, ké nitôndra Ananjy nivoaka mbô hamantsika Ananjy amin'ny kakazofijaliagna.32Kôfa nivoaka zaré ré, de nahita lalahy araika avy agny Syrena antsoigna hoe Simona, zay noterenjaré ré hiaraka aminanjy iré mbô hampilanjaigna ny kakazofijaliagna. 33Nankany amin'ny toeragna antsoigna hoe Golgota zarè ré, zay midika hoe ''Toeran'ny Karandoha.'' 34Namianjarè ré divay mifangaro amin'ny afero Zaré mbô ho sotroiny. Fô kôfa nandramany zegny, de tsy nisotro Zarè.35Kôfa nofantsihinjaré ré tamin'ny kakazofijaliagna zaré, de nataonjaré rè loka ny fizaragna iré fitafiany, 36ké nipetraka zaré ré ké nijanogna niambigna Ananjy. 37Také ambônin'ny lôhany no nametrahanjaré ré sôratra mivôlagna ny nagnamelohagna Ananjy, zay mivaky hoe: ''Itô no Jesosy, mpanjakan'iré Jiosy.''38Nisy jiolahy roa nofantsihina niaraka taminy, ny araika také ankavanany ké araika také ankavia. 39Iré zay nandalo de nanevateva Ananjy, nanifikifika ny lôhanjaré ré 40ké nagnano hoe: ''Anà zay handrava ny tempoly ké hagnamboatra zegny draiky akô agnatin'ny telo andro, vonjeo ny tegnanao! Raha Anà no Zanak'Antdriamanitra, midigna avaké amin'ny kakazofijaliagna!''41Toy zegny kôa iré lehiben'ny mpisorogna nagneso Ananjy, niaraka tamin'iré mpanôra-dalagna sy iré lohôlogno, ké nivôlagna hoe: 42''Nagnavotra iré hafa Zaré, fô tsy afaka magnavotra ny tegnany. Zaré no mpanjakan'Israely. Avelà Zaré hidigna egny amin'ny kakazofijaliagna, ké de hino Ananjy isika.43Natoky an'Andriamanitra Zaré, avelà Andriamanitra hamonjy Ananjy zao, raha mankasitraka ny hagnafaka Ananjy Andriamanitra. Fô na Zaré aza de nivôlagna hoe: 'Zaho no Zanak'Andriamanitra.''' 44Karaha zegny kôa iré jiolahy zay nofantsihigna niaraka taminy nivôlagna fagnevatevagna taminy ndraiky kôa.45Ké nanômboka tamin'ny lera faha enigna de nandrakotra ny tany jiaby ny aizigna ké hatramin'ny lera fahasivy. 46Také amin'ny lera fahasivy, de nihiaka tamin'ny feo mafy Jesosy ké nagnano hoe: ''Ely, Ely, lamà sabaktani?'' Zay midika hoe: ''Andriamanitro, Andriamanitro, nahoana no nandao Anahy Anà?'' 47Kôfa ren'ny sanany tamin'iré zay nitsangagna také zegny, de ahozy iré: ''Magnantso an'i Elia Zaré.''48Také no aké de nihazakazaka ny araika taminjaré ré ké nangala spaonjy, namonto zegny tamin'ny vinaingitra, nametraka zegny tamin'ny tohitohigna bararata, ké nagnamia zegny Ananjy mbô ho sotroigna. 49Ny sanany taminjaré nivôlagna hoe: ''Avelà Zaré. Hitantsika aké raha ho tônga hamonjy Ananjy Elia.''50 De nihiaka tamin'ny feo mafy draika Jesosy ké nagnolotra ny fagnahiny.51Io, ny lamban'ny tempoly nitriatra roa hatragny ambony ké hatragny ambany, ké nihorohoro ny tany, ké vaky nisasaka iré vatolampy.52 Nisôkatra iré fasagna, ké ny fatin'iré ôlon'Andriamanitra maro zay nodimandry de natsangagna.53 Zaré rè de nivoaka avy takô amin'ny fasagna taorian'ny fitsanganany tamin'ny naty, niditra ny tanàgna masigna, ké niseho tamin'ny maro.54Ké iziré kapiteny sy iré izè nizaha an'i Jesôsy raha nahita ny hôrohôron-tany sy iré raha izè nivoàka, de lasa nataotra mafy ké nagnano hoe: ''Zanak'Andriamanitra marigna itô.'' 55Nisy viavy fôntry izè nagnaraka an'i Jesôsy hatragny Galilia mbô hikarakara ananjy také nizaha avy agny lavitry. 56Tamin'jaré ré Maria Magdalèna, Maria renin'i Jakôba sy Josefa, ké ny renin'iré zanakalahin'i Zebedio.57Kôfa haligna ny andro, de nisy lalahy araiky manan-kariagna avy akagny Armatia tônga, antsovigna hoe Joséfa, zay mpianatr'i Jesôsy foàgna koà. 58Nagnatogna an'i Pilato izy ké nangataka ny fatin'i Jesosy. De nobékon'i Pilato amiagna ananjy izégny.59Nangalaka ny faty Joséfa, namôno izégny tamin'ny lamba rongôny mady, 60Kè nampandry izégny tamin'ny tragno manara vôvô izè nangadiàny tamin'ny vatolampy. De namaringarigna vato mahaventy hanohigna ny tamiagnan'ny tragno manara izy ké nivoàka. 61Maria Magdalena sy irè Maria hafa de také, nipétraka takè ampitan'ny tragno manara62Ny andro magnaraka, zay andro afaran'ny Fanomagnana, de niaraka-nitangôrogno tamin'i Pilato iré lehiben'ny mpisôrogna sy irè Fariseo. 63Ahozy njaré ré hoe: ''Tompokô, tsaroànay fô tamin'ny mbôla velogno igny mpamitaka igny, de ahozin'Izy hoe: 'Afaran'ny telo andro, de hitsangagna ndraiky Zaho.' 64Ké noho izégny, mandidihy mbô ho ambénagna ny tragno manara hatramin'ny andro fahatelo, kô tsy izégny iré mpianany mety ho tônga ké hangalatra Ananjy de hivôlagna amin'ny ôlogno hoe: 'Nitsangagna tamin'ny naty izy,' ké ny fitaka farany de ho ratsy noho ilay tamin'ny vôalôhany.''65Ahozy Pilato tamin'jaré ré hoe: ''Mangàlaka mpiambigna. Mandéhana ké ambéno tsara araka izè vitanaré izégny.'' 66De nandéha zaré ré ké niambigna ny tragno manara, nagnisy tombo-kase ny vato ké namétraka ny mpiambigna.
Chapter 28

1Ary taminy alignan'ny Sabata, kô mbôla vao nanômboka nandrainabe ny andro voalôgnany amin'ny herinandro, de dila nénga nizaga ny tragnomanara Maria Magdalena ndraiky Maria araiky hafa. 2Indro, nisy horohoron-tany bé, fô ny anjelin'ny Tompo no nandrôrogno avy agny an-dagnitry tônga ké nagnabiribiry ny vato, ké nipétraka také ambonin'ny zegny.3Ny endrikany de karaha tselatra, ary ny lambany de ôran-javogno. 4Raiki-tahotro iré mpiabigny ké karahy ny lalahy naty.5Nikoragna tamin'iré viavy ilay anjely ké nivôlagna taminjaré izy hoe: "Aza magnahy, haiko fô mizaha an'i Jesosy anaré, ilay nifantsihigna tamin'ny kakazofijaliagna. 6Tsy akato izy efa nifôha, araka ny éfa nivolagniny. Avià zahavo ny toéragna zay nandrian'ny Tompo. 7Mandihana malaky ké volagno iré mpianatrany hoe: 'Nifôha tamin'ny maty Izy. Egy éfa nandeha nialôha lalagna anaré agny Galilia Izy. Akagny no hahitanaré Ananjy.' Egy, éfa nikoragniko taminaré.''8Nandao malaky ny tragnomanara tamin-tahotro ndraiky hafaliana bého iré viavy, ké niazakazaka mbô hivôlagna amin'ny mpianatrany. 9Egy, nitraotro taminjaré Jesosy ké nivolagna hoe: ''Mbalatsara!'' nanatogna iré viavy, nitazogno tongony ké nidera Ananjy. 10Avy také Jesosy nivôlagna taminjaré hoe: ''Aza matahotrô. Mandihana mivolagna amin'iré rahalahiko mbô hiainga ké homba an'i Galilia. Agny no hahitanjaré Anahy.''11Kô mbôla nandéha iré viavy, egy, ny sasany tamin'iré mpiambigna nakagny amin'ny tanan-dehibe ké nivôlagna tamin'ny lôhan'ny mpisôrogna zegny raha jiaby niseho. 12Kôfa nitraotro tamin'iré lohologno ny mpisôrogno ké nikoragna momban'ny olagna taminjaré ré, de nagnomia vôla be an'iré miaramila zaré ré 13ké nivolagnan-jaré hoe: ''Volagno amin'iré hafa hoe: 'Tônga tamin'ny andro aligna iré mpianatry Jesosy ké nangalatra ny vatany kô mbôla nandry zahy.'14Kô tônga agny amin'ny governora izegny tatitra izegny, de handresy lahatra ananjy antsika ké hagnala ny ahiahy aminaré.'' 15tônga dé nalain'ny miaramila ny vôla ké nagnano araka izégny nivolagnan-jaré zaré. ké zegny tatitra zegny de nieli-patrana také amin'iré Jiosy ké mbôla mitohy mandrak'iniany aza.16Fô lasa nakagny Galilea iré mpianatra raikambiny fôlo, tagny amin'ny tendrombohitra zay efa natoron'i Jesosy ananjy iré. 17kôfa nahita Ananjy zaré ré, de nidera Ananjy, fô ny sasany ndraika nagnahiahy.18Nagnatognanjaré Jesosy ké nikoragna taminjaré ké nivôlagna hoe: ''Efa namiagna Anahy ny fahifagna jiaby any an-dagnitry ndraiky aty an-tany. 19Ké mandihana ké anö ho tônga mpianatrako ny firenena jiaby. Ataovy batisa zaré amin'ny anaran'ny Ray, ny zanaka, ndraiky ny Fagnahy Masigny.20Ampianaro zaré ré hankatoa ny raha jiaby nandidiko anré. Egy, miaraka aminaré fôgna zah, ia fô na hatramin'ny fiafaran'izao aza.''

Mark

Chapter 1

1Itö no niatombôhan'ny koragnan'i Jesosy kristy, ilay zanak'Andriamanitra. 2Araky zègny voasõratra ako amin' Isaia mpaminagny hoe: "Itô zahô magnasa ny asaiky hialôha anô, ny araiky agnambôatra ny lalagnanô. 3Misy feo regny magnantso mafy agny agn' efitry hoe: "Atôvo vôgnono ny lalagnan' ny Tompo; Atõvo mahitsy ny lalan- oboany" .4Tônga Jaona, nagnano batisa tagny agn- efitry ary nitoro ny batisan' ny fibèbahagna ho amin' ny famotsõragn- keloko nohon' ny fahotagna. 5Ny tanagnan' ny Jodia jiaby sy ny mponogno jiaby tõ Jerosalema dia tõnga nagnatogno ananjy. Natony batisa tõ amin'ny siragnan'i Jordana zare, izy kofa niheky ny fahotagna. 6Jaona dia nagnato lamba volon- drameva ary nagnano sentiry hôditra take amin' ny andilagna, ary kijaija sy tintely remby no hanignany.7Nagnambara izy hoe: "Misy araiky ho avy magnaraka zaho izegny mahery mihôatra zaho, ary tsy magneva zaho na dia ny hamaha tadin- kapany aza. 8Zaho nagnano batisa anare tamin' ny rano, fa izy koza agnano batisa anare amin'ny Fagnahy Masigna."9Tamin' ny fotoägna nandalovan' i Jesosy avy agny Nazareta to Galilia no nipoitrty zegny, Ary natôn' i Jaona batisa to amin' ny siragnan' i Jordana izy. 10Izy koa nibôaka ny rano Jesosy, dia hitany nisokatra ny lagnitra ary nidigna takeo aminanjny karaha ny voromailala ny Fagnahy. 11Ary nisy feo avy agny an-dagnitra nagnano hoe: "Ano no zanako malalako. Ano no sitrako."12Avak eo dia nitaritin'ny Fagnahy ho agny agn' efitry Jesosy. 13Efapolô andro Izy no tagny agn' efitrty, naalain' ny satana Fagnahy. Nitôetry niaraka tamin'ny bibidia Izy, ary nanômpo ananjy zare anjely.14Ary kofa voasambotro Jaona, dia tônga tô Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran' Andriamanitra, 15ary nivôlagna hoe: "Efa tônga ny ftoagna, ary efa mariny ny fanjakan' Andriamanitra. Mibaibaha dia minõa ny filazantsara."16Izy koa nandaiha tagny amôrondranomasignin' i Galilia Izy, dia nahita an' i Simona sy Andrea ralahin' i Simona nagnarato, satria mpagnarato zare. 17Hozy Jesosy tamin' jare hoe: "Avia, magnaraha zaho, fô atôko mpagnarato olo anareo." 18Takekeo dia nambailany ny harato zare koa nagnaraka ananjy.19Izy koa nandaiha lavidavitry Jesosy, dia nahita an'i Jakoba zanak' i Zebedio sy sy Jaona ralahiny; zegny tan-dakana nagnamboatra ny arato. 20Nagnatso anjare Izy kè dia nilôzany tako avy an-dakanahely avy atragny Zebedio babany niaraka tamin' jare mpikarama, kè nagnaraka anajré.21Avake dia tônga takô Kapernaomy zare, ary taminn' ny andro Sabata, dia nitsofotrô tô amin' ny synagoga Jesosy ary nampianatra. 22Talanjogno tamin' ny fampianaragnany zaré, satria nampianatra nanjy ré karaha ologno managna fahaifagna Izy fô tsy karaha zaré mpanôra-dalagna.23Avtaké nisy lalahy araiky tako amin' ny Synagogan' jaré izegny nanagna fagnahy maloto nigahiky mafy, 24nagnano hoe: "Ino no ifankazahôany amino, ry Jesosy avy agny Nazareta? Tonga hamôtiky anaÿ mô anõ? Haiky fõ izövy anã. Anã Masign' Andriamanitra!" 25Nikoragna mafy ny demonia Jesosy kë nagnano hoe: " Mangigna kë miböha aminanjy! 26Ary ilaÿ Fagnahy malõto nandavo ananjy sy nivõaka taminanjy keï nagnatso tamin' ny feõ mahery.27Variagna ny ologno jiaby, keï nifagnontany zare hoe: "Ino tô? Fampianragna vovo misy fahaïfagna? Baikony na dia iré Fagnahy malôto mbõ magneky ananjy koa zaré!" 28Ny vovo momba ananjy dia naparaïtaka takagny jiabijiaby takagny tako amin' ny farit' i Galilia jiabijiaby29Izy koa avy nivoaka ny Sinagoga, dia tôgnga tako andragnon'i Simona ndraïky Andrea zaré, niaraka tamin'i Jaokoba ndraïky Jaona. 30Ary ny rafõzam-bavin' i Simona natôry azontazogno, kaï nivolagnin'jaré tamin'i Jesosy mõmba ananjy. 31Kaï nagnatogna Izy, ké nangalaka ananjy tamin' ny tagnany, ary nagnarigna ananjy; dia afaka ny tazognany, ary nanomboka nanõmpo Ananjy zaré.32Tamin' io ariva io, tafaran' ny nilintehan' ny masõva, dia nivôlagna zaré take aminanjy narary jiabijiaby na misy démonia. 33Taftrötro niaraka také an-tamiagna ny takô antanagna jiaby. 34Nagnasitragna ologno maro zegny nararin' ny aretigny samihafa Izy ary nandrôaka demonia maro, fö tsy nambaïlany hikoragna iré demonia satriâ nahaï Ananjy zaré.35Niföha mandraigny be Izy, izy koa mbôla mahizigny ny andro; niala také Izy ke nandeïha tagny amin' ny toeragna mitôkagna ary také Izy no nivavaka. 36Nizaha Ananjy Simona ndraïky zaré niaraka taminanjy. 37Nahita ananjy zaré ary nivõlagna taminanjy hoe: " Mizaha ano ologno jiaby."38Ahoziny hoe: "Andaïha antsika agny amin' ny toeragna-hafa, akagny ivaïlany ako amin'iré tanagna magnodidigny, mbo afahako mitory teny agny koa. Fô zegny antony miboahako tatô." 39Dia nivolagna an' i Galilia jiabijiaby Izy, nitôry teny takô amiin'ny Sinagogan'jaré sady nandroaka demonia maro.40Nisy boka araïky tõnga také Aminanjy. Nitaregny taminanjy izy; nandongalitry take Aminanjy ary nivolagna taminanjy hoe: "Izy koa hikehinô, dia afaka magnadio zaho Ano." 41Mahinakinaka ananjy, dia nagnampatra ny tagnany Jesosy ary nikasiky ananjy, nagnano taminanjy hoe: "Sitrakö. Magnanovamady ano." 42Afaka taminanjy takekeo ny habokagna ary nady izy.43Nmpitandrigna mafy ananjy Jesosy ary nagnadaïfa ananjy. 44Ahozy taminanjy hoe: "Tandremo tsy hivolagna na ino na ino amin'jôvy na amin'jôvy anö, fö madihana, avoaho amin'anjy mpisorogna ny tegnanö, ary magnanova fagnatitry nöhon'ny fagnadiovagna anö araka ny nandidian'i Mosesy, mbo ho fijoroagna vavolombelogno ho anjaré45Kö nivoaka izy ary nanöboko nivölagna tamin'ologno jiabijiaby sy nampariaka löatra ny koragna ke dia tsy afaka nandröso an-kalalahagna tagny amin' ny tanagna jiabijiaby köza Jesosy. Ke nitoetry tagny ivaïlany tagny amin'ny toeragna mitökagna Izy ary nagnatogna Ananjy ny ologno avy amin'ny toeragna jiaby.

Chapter 2

1Kôfa niverigna takô Kapernaomy Izy afaka andro vitsivitsy, de nandre fô takô an-dragnö Izy .2Fôntry be ñy ôlô nitangorogna take kè tsy nisy antèragna kôaza, na de tambàva tamiàgna aza, avitake nagnambara ñy Bakôra tamin' njare Jesosy.3De nisy lalahy maromaro nagnotany Azy jègny nitôndra lalahy araika misy takaitra, jègny nibatain' ôlo efa-dahy. 4Kôfa tsy afaka nagnatogna marikitra izy ire nohon' ny afontrin' ny fokon' ôlo, de nipohai-njare ñy tafotragno takà ambonin'i Jesosy, avitake kôfa voasôkatran-jare, de nampandrorôgnin-jare ny kitrara jègny nandrian' ny lalahy misy takètra.5Kôfa nahita ny finoagnan-jaré, die ahozy Jesosy tamin' ny lalahy manägna takaitra hoe: Zanako voavela ny helokanà."6Avake nisy asasany tamin-jare mpanora-dalana nantötro take, ka nimonomonogna takô am-pon-jare hoe: 7" Karaköry no ahafahan' io lalahy io mivôlagna karaha-njegny? Mivôlagna raha tsy manjary Izy. Fô tsy Andriamanitra tôkana fô va no afaka mamela heloka?"8Fô Jesosy nahafantatra avy hatrany takô amin' ny fagnahiny ny raha nöeritreretin-jaré. Avitake ahozy Izy tamin-jaré fô: " Karakôry nare no mieritreritra jègny raha jègny akô am-pônandre? 9Inö no môramôra kôkôa ny mivôlagna amin'ny lalahy misy taketra fô: ' Vovela ny heloka anà andraiky fô: ' Mitsangàna, batè ny kitraranà, de mandihàna'?10Fô mbô hahafantaranare fo managna fahefagna hamela ny heloka ety an-tany ñy Zanak'ôlo, ahozy Izy tamin'ilay manantakaitra fô: 11 " Volagniky aminá; mitsangàna , batè ñy kitraraná, de modià agny andragnoná anà."12De nody izy ka nibäta ñy kitràrany avy hatrany, kè nibôaka an'ilay tragnö magnolognan-jare jiaby, kè variàgna zare jiaby. Ke nagnome voninahitra an' Andriamanitra, kè ahozy irefô: " Tsy mbôla nahita raha karaha ity zahé."13Aviakeo nibôaka také amoron-dranomasina ndreka Izy, kè nagnotany Anazy avokôa ñy fôkon'ôlo, ké nampianarin' zare.14Izy kôfa nandalo Izy, de nahita an' i Levy zanak' i Alfeo nantôtro take amin' ny toerana famoriagnan-ketra, ké ahozy Izy taminy fô: " magnaraha Ahy." De nitsagana izy kè nagnarak'Ananjy.15Nihinagna takô andragnön 'i Levy Jesosy kè ny mpandagnon-ketra sy ny ôlo fontry mpanota no niraidia-nihinagna taminy ndraiky ire mpianatra, fô fontry zare tô kè nagnarak' Ananjy.16Kè mpanoratra lalàna ire, jègny fariseo, raha nahita an' i Jesosy niraidia nihinagna tamin-jare ôlo mpanota ndraiky ire mpanangon- ketra, de nagnötany ñy mpianatra fô: Nagnino Izy miraidia misakafo amin'ny mpanangon- ketra ndraiky ôlo mpanota?"17Kôfa narègny an-jègny Jesosy de ahozy tamin-jaré fô: " Tsy ny salama no mila mpitsabo; fô jègny tsy salama araika fô no mila zegny. Tsy tônga hagnatso ôlo-marina Zàho, fô ñy ôlo mpanota."18Kè nifady hanigna ire mpianatr' i Jaona andraiky ire Fariseo. Vatandehilahy maromaro no nagnatogna Anazy kè nivôlagna tamin'ny fô: " Magnino ñy mpianatr' i Jaona ndraiky ny mpianatr 'ire Fariseo no mifady hanigna, fô ny mpianatranô kôza tsy mbô mifady?" 19De Ahozy Jesosy tamin' zare fô: " Tokony mifady hanigny me ny mpampakatra kô mbôla akà ny mpampàkatra? Kôfa mbôla miraidia amin'zare ake ñy mpampàkatra, de tsy tôkony mifady hanigna zare.20Marivo ny andro hangalagna ny mpampàkatra akèo amin-jare, de amin-jègny andro jègny, no hifady hanigny zare.21Tsy misy manampina lamba vasoka amin'ny lamba vaovao, raha tsy jègny de iendaka aminy ilay tapa-damba, ny vaovao hiala tamin'ny taloha, kè vômeka ho tsy tsara ny faharotavany.22Kè tsy misy ôlo magnisy divay vaovao akô agnaty siny hoditra vasoka, raha tsy zegny de ho rota ny divay ny siny hoditra ka samy ho very ny divay sy ny siny hoditra. Fô kôza, divay vaovao atô akô agnaty siny hoditra vaovao."23Tamin'ny andro sabata Jesosy nandeha tagny ankôraka maromaro, kè nitetry nisangötra langombary ny mpianatra. 24 Dè ahozin-jareo Fariseo Taminy: "Jahavo, magnino ire no magnano raha tsy araky ny lalágnan' ny andro Sabata?"25De ahozy Izy tamin-jarere fô: "Mbôla tsy novakianare anga jègny natôn' i Davida raha takô agnatin' ny tsy fahampiagna ndraiky söloagna izy_ndraiky ire vatandehilahy niraidia taminy_26karakôry ny fômba nitsôfôrany takô andragnön' Andriamanitra tamin' ny andron' i Abiatara mpisoronabe, kè nihinagña ny mofon' ny fanatrehána, jègny tsy ara-dalàna ho an-jôvy na zôvy ny mihinàgna azy afa-tsy ny mpisorona fô, kè mbôla nanomezany maromaro ire jègny niraidia taminy aza?"27Jesosy nivôlagna fô: Ny Sabata de natô ho an' ny zanak'ôlombelögno fô tsy ny zanak'ôlombelögno no ho an' ny Sabata.28 Nohon' jègny, ny zanak' Ôlo no Tompo, na de amin'ny Sabata aza"
Chapter 3

1Nandehandeha tô amin'ny Synagoga indraiky Jesosy ary nisy lalahy maty tagnana takô. 2Nizaha akaiky Ananjy gny sanasanany mbô hahita raha hanasitrana Azy amin'ny Sabata Izy mbô afahanjare magnameloka ananjy.3Ahozy Jesosy tamin'ilay lalahy maty tàgnana hoe: "Mitsangàna ary mijaridigna aketo ategnategnan'ny ôlo jiaby aketo."4 De nivôlagna tamin'ny ôlo Izy hoe: "Ara-dalagna mô gny magnano soa amin'ny andro Sabata sa gny magnano tsy tsara; gny mamonjy aigna, sa gny mahafaty? " Nefa njare tsy nahaboka-vôlagna.5Nizaha anjare tamin-kavigniragna Jesosy, ary nalahelo Izy nohon'ny hamafin'ny fonjare, dia nikoragna tamin'Ilay lalahy Izy hoe: ''Amparo gny tagnanà." Dia namparin'ilay lalahy gny tagnany ka salama.6Niboaka ire Fariseo ary nikonokonogna malaky niaraka tamin'ny Herodiana hitady izay fomba amonoana Azy.7Avitaké Jesosy, niaraka tamindreo mpianany, nandehandeha an-dranomasina, ary nisy fôkonolo fontry nagnaraka avy agny Galilia sy avy agny Jodia 8ary avy agny Jeroalema sy avy agny Edoma ary hatrany amin ny onin'i Joridana sy magnodidigna ny Tyra sy Sidona. Rehefa nahare momba ireo raha nataonjare,dia nisy fôkonolo fontry nankeo aminy.9Dia nampizaha sambokely gny mpianany Jesosy ho Ananjy nohon'nyhafontrogn'ôlo take, tsy hifanosehan'ny ôlo Izy. 10Nohon'ny Izy nahasalama ôlo fontry, de nifandrombaka nagnatogna Azy gny ôlo jiaby fontry, izay nanana tsy fahasalamana mba hikasika Azy.11Aky gny nizaha Azy ireo fagnahy maloto, niankohoka to anatrehany, ary hoy Izy ireo hoe: "Anà no Zanak'Andriamanitra."12 Nivolagniny mare ireo mbô tsy hampahalala Azy.13Nangnanika takegny antendrombohitra Izy, ary nagnatsoantso ireo izay tiany, dia nankeo amin'ny ireo. 14Nanendry ireo roe ambinifolo Izy (izay nangizany hoe Apostoly), mba hafanjare miaraka aminy sy hafahany mandefa azy ireo mitory ny hafatra, 15ary hanagna fahefana handroaka demonia. 16Avitake de nanendry ireo roe ambinifolo izy: Simona,izay nomony anarana hoe Petera;17Jakoba zanak'i Zebedio,sy Jaona rahalahiny, izay nomony ny anarana hoe Boanarijesy, izay midika hoe, zana-baratra;18 ary Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Simona Zelota, 19ary Jodasy Iskariota, izay hamadika Azy.20Dia nody tagny andragnony Izy,ary niara-tonga indray gny fôkonolo, hany ka tsy afaka nisakafo akory njare. 21Rehefa nandre gny momba izegny gny fianakaveny, dia niboaka njare haka Azy, satria nokoragni-njare hoe: "Very saina Izy. 22Ary ireo mpanoradalagna izay nidina Avy any Jerosalema dia nikoragna fa: "Itoeran' i Belzeboba Izy" , ka, "Amin'ny alalan'ny mpanapaky ny demonia no angnabolezany gny demonia."23De nangizan'i Jesosy hankeo Aminy ireo ka niteny azyireo tamin'ny alalan'ny fanoharana hoe: "Ahoana no hahafahan'i Satana mandroaka an'i Satana? 24Raha misy fanjakana miady andragno, dia ho rava izegny. 25Ary raha misy tokan-trano miady an-andragno, de tsy hadigniela izegny toka-trano izeigny.26Raha nitsangana nanohitra ny tenany Satana ary nisaraka, de tsy haharitra, ka hifaragna .27Fa tsy misy afaka miditra ao amin'ny tragnona lehilahy mahery iray ary mandroba gny fananany Raha tsy mamatotra ilay mahery alongany, ary handroba gny andragnony izy abake.28Volagnoko aminare gny tena marina, ho voavela avokoa gny heloky gny zanak'Ologna, na de ireo tèny tsy tsara jiaby izay avoakan'ny vavany aza,29 fa izay miteny tsy tsara ny Fanahy Masina kôza de tsy voavela heloka mandrakizay fa meloka nohon'ny ota mandrakizay."30 Nanambara izegny Jesosy nohon'ny filazan'izy ireo hoe: "Manana fanahy tsy madi Izy."31Avitake de tonga gny reniny sy ireo rahalahiny ary nijoro takegny ivelagny. nandefa ôlo nampahalala Azy.32Nipetraka magnodidigna Azy gny fôkonolo Ahozy re taminy hoe: "Ny reninaosy re rahalahiny dia aka ivelany aka ary mitady ana Izy re."33Ary Izy namaly hoe: "Azovy no reniko sy rahalahiko?" 34 Ary nijery nagnodidina Azy Izy ary Ahozy hoe: "Jereo , ireto ny reniko sy ny rahalahiko! 35 Fa na zovy na zovy magnano gny sitrapon'Andriamanitra, dia izegny ôlo izegny no rahalahiko, sy anabaviko, ary reniko.
Chapter 4

1Ary nanômboko nampianatra takeo amoron-dranomasina indraiky Izy, ary nisy fokonôlo fontro nivory nagnodidigna Azy. Nitsôfotro taka an-tsambohely izay take an-dranomasina Izy, ary nidôko taka amin-zegny. Ny fôkonôlo jiaby kôza de nidôko take amoron-dranomasina. 2Nampianatra azy ireo raha fontro tamin'ny alalàn'ny anoharagna Izy, ary takô amin'ny fampianarany, de izao no nivolagniny taminjare.3Tandrigneso, Nisy ampamafy handeha hamafy voa ,4 Ary raha namafy izy, dia nisy voa sanany nipariaka tandalagna, ka tônga ireo vôrogno ary nihinagna izeigny.5 Ny voa sanany nipariaka tamin'ny tany feno vatovato, izey tsy nisy tany firy. Tônga de nitsimoka Avy hatrany izy iregny, satria tsy laligny ny tany nisy azy.6kôfa nibiagna gny masôva, de nalazo Izy ireo, ary satria tsy nisy vahiny Izy ireo. de maina.7 Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany feno fantsy. Ary nitrebogna.Ary nahè mavènty ireo fantsy ireo de nangeja ananjy, ke tsy namoa voa.8Ny voa sanany nipariaka tamin'ny tany tsara ke namokatra voa teo am-mpitomboana ary nihafontry, ary ny sanany nitombo Avo telopolo heny, ny sanany enimpolo, ary ny sanany zato. 9Avitake de Ahozy hoe: izeigny managna sofigna, aoka Izy hitandregny!"10Kôfa Iziraika Jesosy, dia nagnontany Azy momba io anoharagna io ireo izey marivo Azy sy ireo mpianany roembifolo.11 Ahozy tamin-dre hoe: ho anare no nagnamezagna ny raha mivonin'ny fanjakan'Andriamanitra. Fa ho an' ire any ivelany de fanoharana avokoa, mba amin'ny fotôagna hijahava-jare, eny hijaha Izy ire, nefa tsy hahita, ary 12mbô amin'ny fotôagna hitandrignesan-jare, eny handre izire, nefa tsy hahafantatra izeigny, na koa hiodigna njare de hamindra fo amin-jare Andriamanitra."13Kôfa ahozy tamin-jare hoe: " Tsy azonare mé ny agnoharagna zeigny? Ahoana zeigny no ahazahoanare ire agnoharagna hafa jiaby? 14Ilay mpamboly izay mamafy ny voa de Ilay araiky izay mamafy ny bakôra. 15Ireto no ilay araika nipariàka tegny an-dalagna, izay namafazana ny Bakôra, kôfa regnin-jare zeigny, de tônga ndreky gny fahavalo ary hangalatra ny Bakôra izay voafafy tamin-jare.16Tô dreiky ilay voafafy tamin'ny tany feno vatovato, izay, kôfa nandre gny Bakôra, de nandray izeigny tampifaliagna. 17Tsy misy vahañy ao aminjare, fa maharitra fotoagna hely fotsiny. De tônga gny fahoriagna na gny fanenjehagna nohon'ny Bakôra, kè tônga de lavo-njare.18Reigny hafa gno ilay voafafy tamin'ny tany feno fantsy. Notandrignesan-jare gny Bakôra. 19 Fa gny fagnahin' izao tontolo izao, gny famitahan'ny harena, sy gny filàna gny raha hafa de tafiditra ka mangeza gny Bakôra, ka tsy mamoa vokatra izeigny. 20Kôfa ire izeigny voafafy tegny amin'ny tany tsara de ire izay mitandregny gny Bakôra kôfa mandray izegny, ke namoa vokatra izy ire-_telopolo,enimpolo, na avy zato henin'izeigny nafafy21Jesosy nivôlagna taminj-jare hoe: " Indosina ao an-dràgno me gny jiro mbo ho atao ao ambany helitra, na ambanin'ny Kitrara? Indosinà miditra izeigny de hataonà ambodin'ny fitoeana jiro22 . Fa tsy misy raha mivony izey tsy ho fantatra, ary tsy misy tsiambaratelo izey tsy iboaka.23 Raha managna tadigny hoentina mitandregny, aoka Izy hitandregny!"24Ahozy Izy tamin-jare hoe; " Mitandrema amin'ny Bakôra izay regni-nare, fa arakaraky gny ohatra agnoharanare fô, gno agnoharagna anare, de ampiagna aminare izeigny.25 Satria na azôvy na azôvy managna, de homena fontro kokoa izy, ary na azôvy na azôvy tsy managna , na izay anagnagny aza alaigna aminajy"26Kôfa hoy ihany koa Izy hoe; " Gny fanjakan'Andriamanitra de tahaka gny ôlo araiky mamafy gny voany amin'ny tany. 27 Mandry izy amin'ny alina ary mifoha amin'ny mandraigna, ary gny voa de mitrebogna kè mitsiry, fa tsy fantany hoe ahoana. 28Ny tany de mamoa amin'ny tenany fô: voalohany gny rantsagny, aviake gny tahony, aviake gny voa matoy eo amin'ny tahony. 29Ary kôfa matoy gny voa de avy hatrany izy de handefa fitsangorana, fa efa tonga gny fotoagna fitsagoragna."30Ahozy indraiky Izy hoe; " Ino no azontsika ampitahagna ny fanjakan' Andriamanitra, na Ino no agnoharagna hampiasantsika hagnazavana izeigny?31 Izeigny de karaha voatsinapy izay, kôfa hafafy, de izy no voa hely indrindra amin'ny voa jiaby eto ambodin'ny tany.32 Nefa, kôfa voafafy izeigny, de mitrebogna ary lasa maventy nohon'ny kakazo jiaby, ary mamoa rantsagna vaventy, kè azon'ny voromagnémbagna hagnanôvany ny tragnony eo amin'ny amboniny."33Ary agnoharagna fontro karan'izeigny no nagnambarany ny Bakôra tamin-jare ire, arakaraky gny fahazahoan-jare azy, 34ary tsy nivôlagna tamin-jare ire afa- tsy tamin'ny agnoharagna Izy. Kôfa Rehefa araiky Izy, de nohazavainy tamin'ire mpianany manokana ny raha jiaby.35Tamin-jegny andro zeigny, kôfa Tônga ny ariva, de ahozy tamin-jare hoe: " Andeha isika hita ery ampita.36 niala teo amin'ireo fokonôlo njare, nitondra an'i Jesosy niaraka njare. Raha igny Izy, tao agnaty sambohely igny. Nisy sambohely hafa nandehandeha diaraiky taminy.37 Avitakè Nanomboka nisy tafio-drivotra be ary ny onjan-nodrano nagnafotra ny sambohely kè efa saika feno rano ny sambohely.38kôfa Jesosy araiky nandry takè ambodin'ny sambokely, tambonin'ny ondagna. nofohazi-njare Izy, nagnontany hoe: " mpampianatra ô, tsy mampagnino anà ve Raha ho faty aketo antsika.?39 Kôfa nifôha Izy, de nivôlagna mafy tamin'ny rivotra, ary nivôlagna tamin'ny ranomasina hoe: " Mitsahara! mitonia! Ary nitsahatra ny rivotra, kè nisy fitoniagna be.40Kè Ahozy tamin-jare fô : magnino nare mavôzo? Mbôla tsy managna finoagna fogna me narè ô. ?41 fontro avozo njare kè nifampivôlagna hoe: " azôvy me I aôlo Ty, fô ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky anànjy.?
Chapter 5

1Tônga tagny ampitan-dranomasigna, zare takô amin'ny faritrin'i Gerasena.2 Kôfa niala takô tandàkana hely Jesosy, tônga de nisy lalahy raika azon'ny fagnahy tsy mady kè nagnatogna Ananjy avitagny an-dragnö manara.3Nipètraka tandragnö manara itô lalahy itô. Tsy nisy afaka nitazogna ananjy kôza, na de tamin' ny rôjo vy aza. 4 Voatàdy marobe tamin'ny vy andraiky rôjo vy izy. Nitàpahiny jègny rôjo kè pôtika jègny gadra vy. Tsy nisy nanàgna hery nifehy ananjy.5Isaky aligna andraiky isan'andro teny amin' jegny tragnö manara, niafatrafatra izy kè nampandeha rà ny vatany tamin' ny vato marangitra. 6 Kôfa nahita an' i Jesosy avy lavitra izy, de nihazakazaka nagnatogna Aminy kè niankohotra take anölôhany.7Kè nihafatra tamin'ny feo mahery izy fô: '' Ino mô ifankazahoako aminâ ry Jesosy, Zanak' Andriamanitra Ambony Indrindra? Mitavandra anô amin'ny Agnaran' Andriamanitra araiky fô zaho, aza mampijaly ahy.'' 8 Fa Izy nivôlagna taminy fô: '' Mibôaha amin io lalahy io, ry fagnahy tsy mady''9Kè Izy nagnontany azy fô: '' Azôvy ny agnarano?'' Kè nivaliny fô: '' legiona no agnaranà, satria zahe maro-isa.'' 10Kè nitàvandra marè Taminy hatrany izy tsy handrohagna an-jare agny ivelany faritra.11Kè nisy andiàna lambo nitrôngy teny an-tampon-tanety, 12kè niangavy tamin-jareo izy nagnano fô: '' Alefaso amin'ire lambo zahe; ambilao zahe hitsôfotra akô amin-jare.'' 13Kè nabelany zare, kè nibôaka ire fagnahy tsy mady kè de niditra takô amin' ny lambo, kè de nirebagna taminy helaka ho agny an-dranomasigna ire, kè ny lambo take amin'ny roa arivo teo no maty an-dranomasigna.14Nilefa ireo mpanome hanin-dambo ary nitatitra ny raha nitsanga to an-tanagna sy tagny ambanivolo, maro ny ologna niboaka ny hahaha ny raha nitsanga. 15Aviteo izy nandeha amin'i Jesosy ary hitan-jare ilay lalahy nipitrahany demonia, ilay araiky izay nipetrahan'ny legion, nipètraka takô, notary ary nahatsaro saigna; ka de nataotra izy ireo.16Ire zahay nahita ny raha nitranga to tamin'lè lalahy nipitrahan'ny demonia le de nintantarain-jare tamin'ny antsipiriany ny mahakasika izany, ary koa nintantara mikasika ny lambo zany tamin-jare. 17De niantetra niangavy Ananjy zare mbo hialany eo amin'ny faritran-jare.18Raha hiakatra takô amin'ny sambokely Izy, niangavy taminy lè lalahy nipitrahan'ny demonia mbô hiaraka aminy. 19Saingy tsy nikeny Jesosy anefa izy, fô mivôlagniny hoe: "Mandihàna mipody amin'ny tragnono andraiky fianakaviagnano ary tanataro amin-jare jègny naton'ny Tompo tamin'ilay andraiky namindrany fo tamin'ilay!" 20De lasagna nody izy kè nanomboka nagnabara ny raha maventy jègny naton'i Jesosy tamin'azy tagny Dekapolisy, kè talanjogna ny jiaby.21Kè raha nandeha agnilany ndraika Jesosy, tamin'ny sambokely, de ireo nisy vahoaka betsaka be novory nagnodidigna Ananjy, raha te amorondranomasigna igny Izy,22 Avitake tônga ny raika amin'ireo mpitarika ny synagoga, atô hoe Jairo, izy raha nahita Azy, de nantôraka te an-tongony. 23Nitalaho hatrany hatrany izy, nanao hoe: "Tsy salama mare kè efa ho diso ny Zanako viavy. mitalaho amino zaho, avia ary apetraho aminy tagñano mbô ho salama sy ho velogna izy. 24De lasa niraidia tamin-anjy Izy, kè fokonôlo fontry tokoatrany niraidia ndraiky nagnodidigna Ananjy.25Kè nisy viavy raika tratrany fahaverezan-drà nandritry ny roambifolo togna. 26Tegna nijaly kè efa nitety mpitsabo maro ndraiky nandany ny fanagnany jiaby, nèfa tsy nahita fahasalamagna fô voamèka nè tsy tsara. 27Raha naregny tatitra mahakasika momban' i Jesosy izy, de nandeha tao afarany takô anaty fokon'ôlo izy Kè nifampipetaka ny akanjony.28Satria ahozy fô: ''Raha misôka ny lambany fogna zaho, de haivagna." 29Raha nisôka Anan-jy izy, de nidogna ny faverezan-drà Kè tsapany hatrany agnatiny fô naivagna izy.30Fantan'i Jesosy niaraka tamin-jegny fô nisy hery niala avy taminy. Nitodika tany amin'ny fokon'ôlo Izy kè nivolagna fô: ''Azôvy no nikasika ny akanjoko?'' 31De namaly Anan-jy ny mpianatra fô: ''Hitano ire fokon'ôlo fontry ire, koa Ahozy anô fô: ''Izôvy no nikasika Zàho.'' 32Fa nizaha ny magnodidigna Ananjy Jesosy mbô hahitany izay nagnano zegny.33Viavy nahafantatra jègny nitranga taminy, de natahotra ndraiky nangôrohôro. Nandeha izy kè niantoraka taloan'i Jesosy kè nivôlagna taminy ny marigna jiaby. 34 De ahozy Jesosy taminy fô: '' Anaka ny finoagnanà no nahavelogna anà. Mandihana amin' ny fiadanagna ké maivàgna amin'ny tsy fahasalamana-nà.''35Raha mbôla nivôlagna Izy, de tônga ny ôlo asanany avy tagny amin'ny mpitarika ny synagoga, nagnano fô: '' Efa diso ny zanak'anõ. Nagnino no mbola manahiragna ny mpampianatra fô?''36Fô raha naregny jègny nivôlagnin-jareo Jesosy, de ahozy Izy taminy le mpitarika ny synagoga fô: '' Aza mavôzo. Minoa fotsiny fô.'' 37Ary tsisy nambelany hiraidia aminy, afa-tsy Petera, Jakoba, ndraiky Jaona, rahalahin'i Jakoba. 38Tônga tagny andragnony le mpitarika ny synagoga zarè kè nahita ologna nitabataba be take Izy, nitomagny ndraiky nidradragna mare zarè.39Raha nitsôfotro tan-tragnö Izy, de ahozy tamin-jare fô: '' Nagnino anan-dre no mitabataba ndraiky mitomagny? Tsy diso ny zaza fa mandry. 40''Nimoèzan-jaré Izy.de naboakany tagny ivelany zaré jiaby kè nangalaka ny papany ndraiky mamany lè zaza ndraiky ire niraidia taminanjy, ké nitsôfotro takô agnefitra nisy lè zaza Izy.41Nitanany ny tagnan'ilè zaza kè nivôlagna taminanjy Izy fô : '' Talita, Komy '' zègny kôfa adika de : '' Razaza viavy mivôlagan aminà Zaho, mitsangàna. 42Tônga de nitsagana razaza vavy kè nandèha (satria roambiny fôlo taogna izy). Magnana avy hatrany zare. 43 Nizakèny mare izy ire mbô tsy hisy na zôvy na zôvy hahafantantra mikasika anjô. Avitake de nasèny namiagn-kanigna razaza viavy.
Chapter 6

1Nilaôsany io toèragna io kè namonjy ny tanindrazany Izy, Kè nagnaraka Ananjy ire mpianany,2 Kôfa tônga ny andro sabata, de nampianatra takô amin'ny Synagoga Izy. Fôntry ny ôlo nitandregny Ananjy kè variagna zare. Ahozy Izy fô:" Avy Takèza nahazaoagny ire fampianaragna ire?" Ino izao fahendregna namiagna Ananjy zo?" Ino ire fahagagagna izay nataony tagnàny ire?"3 Tsy ilay mpandrafitra igny môa io, ilay zanak' i Maria ary rahalahin' i Jakoba ndraiky Josesy ndraiky Jodasy ndraiky Simona? Tsy miaramonigna amintsika aketo môa ire anabaviny ?" tohigna tamin' i Jesosy zare.4Kôfa ahozy Jesosy tamin-jare fô:" Ts' isy mpaminany tsy hajaigna, afa-tsy amin'ny tanindrazany ndraiky akô amin'ny fianakaviagnany marivo ndraiky akô amin'ny ankohonany manôkagna fô."5 Tsy afaka nagnäno asa mahavariagna Izy, afa-tsy ny famitrahan- tagnana tamin'ny tsy salama vitsivitsy kè magnasitragna an-jare.6 Variagna avy amin'ny tsy finoagna njare Izy. Avitake nandèha nagnodidigna ire tanàgna Izy mbô hampianatra.7Avitake de nagnantso zare roé ambinifôlo lahy Izy kè nitetry nagnäsa anjare tsiroéroé, kè nagnamia fahefagna take amin'ny fagnahy tsy madi zare, 8kè nagnäsa an-jare tsy hitôndra na ino na ino amin'ny diany, na môfo,na kitapo, na vôla ami'ny an-dilagnany njare_afa tsy tehigna fôgna_ 9 fa hagnäno kapa, akè tsy hagnäno ankanjo roé.10Ahozy Izy taminjare fô:" Na oviagna na oviagna anare mitsôfotra an- tragno araiky , de mibodia akô mandra-pialanare akagny.11 kè kô misy tanàgna tsy mampandrôso anare na tsy mitandregny anare ,kôfa miala akô amin-jègny toèragna zègny anare. de ahintsagno vovoka amin'ny tongotrare mbô ho fijoroagna vavolombelogno amin-jare.12De nènga zare kè nitory fô ny ôlo de tôkony hibèbaka amin'ny fahotagnany.13 Nandroäka demonia fôntry zare , kè nagnôsotro zègny tsy salama fôntry tamin'ny diloilo kè nagnasitragna anjare zare.R14egnin' i Heroda Mpanjakan'Israely zègny , satria nanjary fanta-daza ny agnaran' i Jesosy. ny asanany nikoragna fô:" Nitsangana tamin'ny maty Jaona mpagnäno batisa kè avy amin'jègny, de miasa akô agnatin' ny ire hery mahavariagna ire.15 Fô ire asanany kôza nivôlagna fô:" Elia Izy." ny asanany mbôla nivôlagna fô:" Mpaminany Izy, karaha araiky tamindre mpaminany tamin'ny andro talôha."16kôfa naregny anjègny Heroda de ahozy Izy fô;' Jaona, ilay notapahiko lôha igny no nitsangana tamin' ny maty17 . Fa Heroda no nampisambotra an'i Jaona kè nandèfa ananjy tagny an-tragnomaizigna avy tamin- draharahan' i herodiasy ( vadin' i Filipo rahalahiny ) satria novadiny raviavy.18Fa Jaona nivôlagna an' i Heroda fô:" Tsy araka ny lalàgna ny hanambadiananô ny vadin'ny rahalahinô 19," Fa vignitra taminanjy Herodiasy kè nitady zègny fômba hamonoagna ananjy, kanèfaka tsy afaka,20 avy amin'ny fahatahôran' i Heroda an' i Jaona; fantany fô ôlo marigna sady feno fahamasinagna izy . nanahiran-tsaigna ananjy ny fandrignèsany ananjy, kanèfa mbôla nitandregny ananjy tamim-pifaliagna izy.21Avitake nisy irika tamin' ny fitsingerenan' ny taona nahaterahan'i Heroda ke nagnäno fagnasagna ho an' jare lehibeny, ndraiky zare mpifehiny , ndraiky zare mpitarika ny Galilia izy . 22De nitsôfotro ny efitragno fagnäsagna ny zanakavavin'i Herodiasy me nagnäsa an'jare , kè nahafinaritra an'i Heroda ndraiky vahiny nasaina tampihinanagna izy, ahozy ny mpanjaka tamin-drazazaviavy fô:" Angahöé aminà zègny jiaby tianô de amiako anô zègny."23'Ary nifanta tamin'anjy nagnäno fô:" Na ino na ino angatahinô aminà, de hamiako anô, hatrami'ny antsasaki 'ny fanjakako.24 De niboaka izy kè nikoragna tamin'ny mamany fô :" ino no angatahiko amin'anjy ?" De ahozy ny mamany hoe:" lôhan" i Jaona mpagnäno Batisa.25 Takeke fognä de nierigna tagny amin'ny mpanjaka izy ,kè nangataka, nagnäno fô:" Tiako amianô anà, zao de zao, ake ambonin' ny lasety ny lôhan'ny Jaona mpagnäno batisa."26Na de nampalahelo mareny mpanjaka aza zeigny, de tsy afaka nifamaka ny fangatahany izy nohon' ny fifantàna nataony sy noho ireo vahininy nasaina tampinanagna .27 Nohon' zeigny de nagnäsa miaramila araiky avy tamin' ny mpiambigna ny mpanjaka kè nagnäsa ananjy hitondra ny Lôhan' i Jaona ho eo aminy .Dila ilay mpiambina kè nanapaka ny lôhany takô an-tragnomaizigna .28 Nindôsiny take amboniny lasety ny lôhany kè natôlony an-drazazaviavy, ke ilay zazavavy nanôlotra anjègny tamin'ny mamany.29 Kôfa naregny anjègny mpianany, de tônga zare kè nalaka ny fatiny kè namètraka njègny takô an-tragno manàra.30Niverina tagny amin' i Jesosy njare Apostoly ary nitantara tamin' izay jiaby vitan'jare sy nampianarin' jare.31 Ary ahozy Izy tamin' jare.:" Ndeha isika ho agny amin' ny tany dèzaka ka hiala roboka hely." Fa fontro ny ôlo no nivezivezy, ary tsy nanam-potôagna hihinagna hanigna akory aza njare.32 De nandeha an-tsambohely njare mbô ho agny amin'ny tany dèzaka.33F'anjare nahita azy ire nandeha ary fontry no nahafantatra anjare , de niraidia nihazakazaka an-tongotra avy tagny amin' ny tanàna jiaby zare, ary tônga take taloha njare.34 Kôfa tônga take amin' ny morony zare , de nahatsinjo fokon' ôlo fontry Izy ary nahinakinak' anjare Izy satria karaha ny ondry tsy managna mpiambigna zare ke Nitetry nampianatra raha fontry anjare Izy.35Kôfa hariva ny andro , de nagnatona Azy ire mpianany ke nagnano hoe:" Tany dèzaka ity ary ny andro marivo ho hariva sahady.36 Alefaso izire mbô handehanany agny Amin ire vohitra sy tanàna magnodidina hividy hanigna ho an'ny tègna-njare."37Fa namaly Izy nagnano tamin' izire hoe:" Omeonare raha hoanigna izire.' De ahozy ire taminy hoe:" Afaka mividy mofo azon' ny denaria roanjato va zahe ka hagnome zeigny azy ire hohanigna?"38 De ahozy Izy tamin' izire hoe:" Firy no mofo anananare? Mandihàna ary jahavo." Kôfa hitany, de ahozy izire hoe:" Mofo dimy sy laokan-dranomasina roe."39De nandidy ny ôlo jiaby mbô hantotry mitsitôkotôko teo amin' ny ahi-maitso Izy40 .de nantôhotro an-tôkony zato sy dimampolo. Naka ire mofo dimy sy laokan-drano roe Izy,41 niandrandra ny lanitra de nisaotra ka nizarazara ny mofo ary nanolotra izeigny tamin' ire mpianany mbô hamiagna eo anoloan' ny ôlo. Ké nozarainy koa ny laokan-dranomasina roe ho an' izy jiaby.42De nihinagna avokoa izy jiaby mandra-pahavokin-zare.43 Nalain'izire ny ambikambiny mofo, izay nahafeno roembinifôlo hilotra mitafotafo, ary koa ny ambin' ire laokan-drano.44 Nisy dimy arivo ire lalahy nihinagna ny mofo.45Teo no eo de nasainy niakatra taka an-tsambohely ire mpianany mbô hialôha Azy ho eny ampita, ho any Betsaida, raha nandefa ny fokonôlo Izy 46. Kôfa dila Izy ire , de niakatra tany an-tendrombohitra Izy mbô hivavaka.47 Tônga ny hariva , ary efa teo antegnategnan' ny ranomasina ny sambohely, fa irery tegny an-tanety Izy.48Kôfa hitany fa sahiragna maré izire nivoy ny sambohely, satria nanohitra mare azy ire ny rivotra. Teo ho eo amin' ny ora fiambenana fahefatry ny alina de nankeo amin' izire Izy, nandeha teny ambony ranomasina, ary te-handalo take amin' izire Izy.49 Fô kôfa nahita Azy nandeha tegny ambony ranomasina izire , de noheverin' izire ho angatra Izy ka nihafatrafatra izire,50 satria nahita Azy izire de raikitra avozo. Teo no eo de nivôlagna tamin' izire hoe:" Matokia! Izaho fô ity! Aza mavôzo!"Kô51fa niditra taka an-tsambohely niraidia tamin' jare Izy, de nitsahatra tsy nitsoka ny rivotra . De variagna tanteraka izire.52 Kôfa tsy takatry sain' izire ny dikan' ilay mofo. fa kôza, nihamazagna ny fon'izire.53Kôfa tafita izire ,de tônga taka Genesareta ire ka nitady taka 54.Kôfa nidigna avy taka amin"'ny sambohely izy ire, avy hatrany de fantatry ny ôlo taka izy., 55ka nihazakazaka nagnerana ny faritra jiaby izire ary nanomboka nitondra ny tsy salama tamin' ny kitrarany tany amin' izay jiaby Regnin' izire misy Anazy.56Fô na takeza na takeza nandihanany na an- tanàna na tanàn-maventy, na tegny amin' ny vohitra hely, de napetrakan-jare" takeo amin' ny kianja ny tsy salama. Niangavy Azy izire mbô hamela azire hikasika ny rambon" ankajony, ary ire fontry izay nikasika Azy de nahivagna.
Chapter 7

1Zaré Fariseo sy ny mpanôradalagna sagnany zegny avy agny Jerosalema dia tõnga niangogna nagnodidigna Ananjy2Izy kôa hitanjaré ny mpianatrany sagnany nihinagna môfo tamin' ny tagnana tsy vôadio, izegny hoe tsy vôasasa. 3(Fô ny Fariseo sy ny Jiosy jiaby dia tsy mbô mihinagna izy kôa tsy efa nagnasa ny tagnan'jaré, satria magnaraka ny fômbafômban'jaré lohôlogno.) 4Izy kôa niherigny avy tagny a-bazary zaré Fariseo, dia tsy mihinagna zaré izy kôa tsy avy mandro, ary mitazogno ny fômbafômba maro karazagna zaré, karaha fanasagna kapôaka, sy ny famaragnana, sy fanaka varahagna, ary ny kitrara gegny ihimoanan'jaré.)5Zaré Fariseo sy ny mpanoradalagna nagnontany anin' ny Jesosy hoe: "Nagnino ny mpianatranô no tsy mandaîha araka ny fômbafômban' jare lohologno, fô mihinagna ny môfon'jaré amin'ny tanagna tsy vôasasa?"6Kanefa Ahozy tamin'jaré: "Isaia naminagny magneva mômba andré mpihatsaravelatsihy. Nisoratany hoe: "Itô vahoaka itô magnaja Zaho amin'ny môlotrony, fô ny fôny ndreky lavitry Zaho. 7Foagna ny fivavahagna atôlotron'jaré Zaho, koa nampianatra ny lalangan'olombelogno ho favmpianaragnan'jaré.8Ambela naré ny didin'Andriamanitra fô hazonandré mafy ny fômban'ologno." 9Ary hozy fogna koa Izy tamin'jaré: "Karaha ny karakory ny fagnarianare ny didin' Andriamanitra mbo hitandrenaré ny fômban-drazagnãnaré! 10Fô hozy Mosesy: "Magnaja ny babanô ndraiky réninô," ary koa , "Zegny mivolagna ratsimanjary ny babany na ny réniny dia ho faty tokôatra."11Kanefa anaré mivôlagna hoe: "Ko misy lalahy araïky mivôlagna babany na ny réniny hoe: "Na ino na ino tiano ho azo taminahy dia efa Korbana," (zegny hoe: "Namiagna an'Andriamanitra") -- 12dia tsy ambèlanaré haganno na ino na ino amin'ny babany sy ny reniny koaza izy. 13Magnafoagna ny tenin'Andriamanitra anaré nôho ny fômban-drazagñaré zô nitagnanaré. Ary raha maro mitôvy amin'jegny koa no atônaré.14Ary nagnatso ny fôkonolo ndaiky Izy kei nivolagna tamin'jare hoe: "Mitandregny Zaho, anaré jiaby, ke fantaro. 15Tsisy raha avy ivèlany zegny miditry agnatin'ôlogno kè afaka mandoto anjare kôfa miditry aminanjy. Fô izy mivoaka avy akô agnalin'ôlogno no mandoto ananjy." 16[Ny fandikagna tsara kokoa dia tsy magnisy ny andigniny faha 16: Izy kôa misy manan-tadigny hitandrignaisagna, aoka izy hitandregny.]17Izy kofa nial take amin'ny fôkonologno Jesosy kè nitsofotro tako an-dragno, ny mpianatrany nagnotany Ananjy mômba njegny fagnoaragna. 18Hozy Jesosy taminanjy: "Anaré koa mô mbôla tsy managna fahafantaragna? Tsy hitanaré mô fô zegny jiaby miditry ako agnatin'ôlogno avy agny ivèlany dia tsy mahalôtô ananjy, 19Satria tsy afaka-mitsôfotro akô am-pôny zegny, fô ako am-bôtrakany foagna fô mivoaka agny amin'ny fibohagnany?" Tamin'jegny fagnambaragna izegny dia nahatônga ny hanigny jiaby ho mady i Jesosy.20Hozy Ananjy: "Zegny mivôaka avy ako amin'ny ôlogno no mahalôto zegny. 21Fô avy ako agnatin'ny ôlogno, avy akô am-pôny, no hivôahan'y saigny-ratsy, ny fahavaitavaitagna, ny halatra, ny famonoagn'ôlogno, 22ny fijangajangagna, fagniriagna, ny haratsiam-pagnahy, ny fitaka, ny fijejojejoagna, ny fialôgnana, ny fiampangagna-lainga, ny fiavôgnana, ny afokagna. 23Zegny raha-ratsy jiaby zegny no mivôaka avy aka agnatin'ny ôlogno ary ré no malôto zegny."24Niala take Izy lasagna nadaiha tagny amin'ny faritry Tyro sy Sidonia. Nitsôfotro tako an-dragno raiky Izy ary tsy tiany ho fantan'jovy na zovy fô takô Izy. Kanaifa tsy afaka nibôaka. 25Nèfa niaraka tamin'jegny dia nisy vahiavy araiky, zegny nisy fagnahy malôto raiky ny zagnany vahiavy hely, naregny ananjy, tônga, ary niankotro take an-tôngony. 26Ary Grika lay vahiavy, Syro foinika no naviany. Nitavandra Ananjy izy mbô hamôaka ny demonia hiala amin'ny zanany viavy.27Hoziny taminanjy: "Ôka alôngany hamiagn-kanigna aloha ny zaza. Satria tsy manjary ny malaka ny môfon-jaza ke manimpy anamjy ho an'ny kiva." 28Nèfa namaly izy kai nagnano Taminanjy hoe: "Ia, Tompo, fô ny kiva ako ambany latabatra aza dia mbo mihinagna ny sômbôtsômbôny amin'ny môfon-jaza."29Dia hozy Taminanjy: "Nôho zegny koragnano zegny, afaka mandaiha anô. Efa nivôaka tamin'ny zanakano viavy ny demonia." 30Izy koa niherigny tagny an-dragnony ravahiavy dia nahita ny zaza nandry take ambonin'ny kitrara, ary ny demonia èfa niala.31Ary Jesosy nibôaka koa niala ny faritry Tyro, dia namaky an'i Sodia hatrany amin'ny Ranomasigan'ny Galilia kè nadaiha ny faritry Dekapolisy. 32Ary nindesin'jarè take Aminanjy ny ôlogno raiky maregniny sady sahiragna izy koa mivôlagna, ary taraigny Taminanjy zaré mbo hamitrahany ny tagnany anminanjy.33Nitôndra an-dralalahy nitôkagna niala take amin'ny fôkonôlo Izy, dia nagnambaila ny rantsan-tagnany take an-tadigniny Izy, ary raha avy nandrora, dia nikasiky ny lèlany. 34Dia niandra ny lagnitra Izy, dia nisento kè nagnano taminanjy hoe: "Efata," zegny hoe: "Maladia!" 35Ary nalaky take ny tadigniny dia naregny, ary zegny namehy ny lèlany dia potiky ary afaka nivolagna mazava tsara izy.36Ary Jesosy nanakagna anjarè tsy hivôlambôlagna na amin'jovy na amin'jovy. Kanaifa na dia tsinasaigny aza zaré, vôa maika nampariaka zegny maromaro kokôa. 37Dia magnana tantairaka ny ôlogno, ke nivôlagna hoe: "Natôny tsara dahôlo ny raha jiaby. Natôny maregny aza ny maregnina ary mivolagna ny môà."

Chapter 8

1Tamin-jègny andro zègny, dè nisy fokonôlogna ndraiky, ary tsy managna raha ohanigna zare. Dè nagnantso ny mpianatra i Jesosy ary nizaka tamin-jaré hoe: 2"Mampalahelo zā iré fokonôlogna ré satria efa telo andro iré nanohy niaraka tamiko ary tsimanagna raha ohanigna. 3Raha avèlako mipody andragnony tsimihinagna are, mety ho toragna agnarabe. Ny asanagny amin-jare, dia avy any lalan-davitra. Namalianan-jy re mpianatra hoe: ''Akaiza no hahazaontsika mofo ampy havokisagna re4 fokonôlo re aty amin-tany foagna karaty?''5Nagnontany anan-jaré izy hoe: "Firy ny mofo anagnandré?" Hozin-jare hoe: ''Fito'' 6 Nandidy ny fokon'olona mbora hitoetra amin'ny tany izy. Nalainy ny mofo fito, dè nisotra izy, ary nanapaka ireo. Natondron'ny mpianatr'anan-jy izègny mbora horasain-jare amin'ny fokonôlogna, ary napetrakan-jare alohan'ny fokonôlogna izègny.7Ary mbôla nanagna lôka hely vitsitsivitsy ihany koa nzaré, raha avy nisôtra nzaré Izy dia nandidy ny mpianatra mba handroso zègny koa Izy. 8Dia nihinagna zaré ka vôky ary nalain-jare ny tapatapany tavèla, izay nahafeno helotra fito maventy be. 9 Tokony ho efatr'arivo te hoe eo ny ologna tamin-jègny. 10Avitaké dia nalèfany nipody nzaré. Tonga dè niakatra agnaty sambo madinika niaraka taminzare mpianatra Izy, ary nandè agny amin'ny faritrin'i Dalmanota nzaré.11De nibôaka iré fariseo kôfa nanomboka nifamaly taminy. Nizaha famantaragna avitagny andagnitra nzaré, mbôra hitsapagn' Azy. 12Nisento laligna tagny amin'ny fanahiny ary nizaka hoe:" Nahoagna fa mizāha famantaragna ireto taranaka ireto? Nefa volagniko marigna aminandré fa tsisy famantaragna omegna ty taranaka ity zègny''.13 Avitaké dia niala nzaré Izy, nakatra tà agnaty sambo madinika , ary nandé lavitr'agny agnilany.14Ary adignony mpianatra ny nitôndra mofo niaraka tamin-jaré. Tsy nanagna ankôtrany raika nzaré tagnaty sambo. 15Dia nampitandrigna anan-jire Izy ka nivôlagna hoe: ''Miambegna ary mitandrema amin'ny marisarisan'ireo Fariseo siny matrabatraban'i Heroda''.16Dè nifagnontany tegna ny mpianatra nagnano hoe: '' Noho antsika tsimanagna mofo zégny.''17 Fantatr' i jesosy zégny, ary hoy izy tamin-jaré :''Nahogna amin'ny tsy fanagnana mofo ny fisaignandré? Mbôla tsy azonandré sa? Mbôla tsy takanandré sa? lasagna dindery ny fona'ndré?18Managna maso nandré, fa tsy mahita sa? managna tadigny nandré, tsy mitandregny sa? Adignonandre sa ? 19Raha nanapaka mofo dimy ho an'ny olona dimy arivo zā de helotra firy feno tapatapaka mofo zè nalagnonandré? Hozin-jaré taminy hoe: ''Roèmbifolo.''20Raha nanapaka ré mofo fito hoan'ny ologna efatr'arivo zā, firy helotra ny ambiny nalagnonandré.? Hozin-jaré taminy hoe: ''Fito.'' 21Ary nivolagniny hoe: Mbôla tsy taka-nandré fô?"22Tônga tagny Betsaida zaré. Nisy jamba rèky nindésin'ôlogna taminânjy, ary nangaviânjâré i jesosy mbo hikasika anan-jy.23 Nindosin'i jesosy tamin'ny tagnany ilay tsimahita, ary nitondra anan-jy hivoaka ny tanagna. Raha nandrôra tamin'ny masony izy ary nametaka ny tagnany taminy, dè nagnontany ananjy izy hoe: '' Mahita râhâ ana?''24De niandra izy, ka nivolagna hoe: ''Mahita kakazo kàra olôgna mandèdèha zâ.'' 25Napetak'i Jesosy taminy ndraiky ny tagnany, ary nabiagnany ny masony lalahy, de niherigna tamin'ny fahitany talôha izy, ary zègny raha zahavany itany soman-tsara.26 Dia nalèfan'i Jesosy nipody izy ary nizakèny hoe: '' Aza miditra an-tanàgna.''27Nandeha Nivôka i Jesosy sy mpianatr'ananjy nandé amin'ny tanagnan'i Kaisaria Filipo. Tandalagna dé nagnontany reo mpianatra izy hoe: '' Hatônôlo zôvy mâ zâ?'' 28Dè namaly anan-jy zaré hoe: "Jaona mpagnano batisa. Ny sasany nizaka hoe: 'Elia', ary ny hafa ndraika nagnano hoe: 'Raika amin'ireo mpaminagny.'''29Nagnontany anjareo Izy hoe: '' Rā hanandré kôza magnano azôvy Za?'' Dè namalianan-jy i Petera hoe: '' anô i Kristy''.30 Nampitandrigna anjaré i Jesosy tsy hivolagna ny momba anan-jy na amin-jôvy na amin-jôvy.31Nantômboka nampianatra an-jaré Izy fa tsy mèntsy hijaly ny Zanak'Ologna, ary ho toerin'ny lohologna sy lohan'ny mpisorogna ary mpanoratra lalàna, hivonigna kè hitsangana amin'ny maty afaka telo andro.32 Nivolagniko mazava tsara zègny. Aviteo nantsovin'i Petera nangingigna i Jesosy ka nantetra nivolagnan'an-jy mâfy.33Fô nitôdiky i Jesosy dè nizaha ny mpianatra ary aviteo nivolagna maf an'i Petera kè nagnano hoe: '' Mialā lavitra zā , ry satana! tsy mbo mandiniky rahan'Anandriamanitra ana, fa nizavatr'ologna.'' 34Avitake te dè nagnatso ny fokonologna sy ny mpianatr'anan-jy Izy, ary ahozy tamin-jaré hoe: '' Râha misy te- hagnaraka zā, dè tsy mèntsy mandā ny tegnany izy, mangala kakazo fijaliagna, ary magnaraha za.35Na zovy na zovy te-hamonjy ny haignany de hahavery zegny, ary azovy mahavery ny haignany nony amina sy ny filazantsara, de hahavonjy izègny.36 Fa ino nefa tombotsoa azon'ologna raika raha mahazo zô tontolo zô, ary avakeo very ny hignany?37 Ino omegna ny ologna raika takalon'ny aignany?38Na zovy na zovy megnatra za sy ny teniko eto amin'ity taranaka mijangajanga sy mpagnota ity, dè megnatra Za migna koa ny zanak'Ologna rehefa tonga ao amin'ny voninanitry ny rainy miaraka amn'ireo anjely masina Izy."
Chapter 9

1Nivôlagna Izy tamin'jaré hoe: "volagniko aminandré marigna tokôatra, fô misy aminandré zegny mitsangagna akéto tsy hagnandragna zegny fahafatesagna zegny mialohan'ny hahytan'jare ny fanjakan'Andriamanitra zegny ho avy amin'kery maventy." 2Ary enignandro tavafara, de nindôsiny Jesosy miaraka aminny Petera ndaiky Jakoba ary Jaona takagny amin'ny tanety ambo, ary zaré foagna no tagny. Avy také niôva sôra také alôhan jaré Izy. 3Ny akanjony niôva nangilangilatra be avaké fôtsy be, fôtsy lômbolômbo ndrahajiaby nampamotsiagna lôatra taketoambonin-tany4Avakeo Elia ndraiky Mosesy niboaka tamin'jareo, kai nikoragna tamin'i Jesosy zaré. 5Petera namaly ke nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: "Raby ô, tsara izikôa midôko aketo antsika, kai andeha agnano lay telo, ny araiky ho Anô, ny araiky ho an'i Mosesy, ary ny araiky ho an'i Elia." 6(Fô tsy hainy zegny rà tôkony ho hivolagniny, satria nangôrohôro boe zaré.7Nisy rahogna tônga ke nagnarôgna anjaré. Ary nisy feo nibôaka avy agny agnatin'ny rahogna hoe: "Itô ny Zanako Malalako. Mitandrinaisa Ananjy." 8Tampoko také, izikôa nizaha magnodidigny zaré, dia tsy nahita na zôvy na zôvy kôza, kofa-tsy Jesosy araiky fôagna.9Izy kôa nandrôrogno avy tagny an-tanety zaré, de nivolagniny mafy mbo tsy hikoragna na amin'jovy na amini'jovy ny raha hitan'jaré, izikôa tsy efa mitsangagna amin'ny maty ny Zanak'ôlogno. 10Ary de nitazognin'jaré ho anjaré zegny koragna zegny, kanéfa nifanpagnotany zaré ny amin'ny manjary ho dikan'jegny "fitsanganagna amin'ny maty" zegny.11Nagnotany Ananjy zaré hoe: "Nangnakôry zaré mpanôra-dalàgna no nivôlagna fô tsy maintsy avy alôlôha Elia?" 12Dia Ahozy tamin'jaré ré hoe: " Aifa tônga voalôhany Elia hagnarigna ny raha jiaby. Ary akôry voasôratra fô ny Zanak'Ôlogna dia ijaly mafy amin'ndraha maro ary atô kara ôlogna tsy misy dikany? 13Naifa volagniko aminandre fô efa tônga Elia, ary naton'ôlogma taminanjy tiany fôny, araka zegny aifa vôlagnin'ny Sôratra Masigna mamba ananjy."14Ary kofa niverigny take amin'ny mpianatra zaré, dia nahita fôkon'ôlo maro nagnodidigna anjare ary zaré mpanora-dalàgna nimalo taminanjy. 15Kôfa nahita an'i Jesosy zaré, dia nidagnaka ny fôkon'ôlo jiaby ary ra'igny nihazakazaka nagnatogna Ananjy igny zaré dia nifagnontsanfa Ananjy. 16Nangnotany iré mpianatarany Izy hoe: "Momba nino no mampimalo andré."17Ary nisy raiky tamin'jaré fôkon'ôlo namaly Ananjy hoe: "Mpampianatra ô, nindôsiko ho aketo aminô ny zanako lalahy. Misy fagnahy ratsy tsy mampivôlagna ananjy izy. 18Migôdagna ananjy ràha io kè mampibiribry ananjy avake mifôtafô ranivy izy, sady mihidy vazagna, ary lasa mihènjagna izy. Nangataka tamin'ny mpianatranô zaho mbô handroaka zegny hiala aminanjy, kanaifa tsy vitan'jaré zegny." 19Ary namaly ananjiré Izy hoe: "Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviagna no antèrako aketo aminandré? Mandra-pahoviagna no handifèrako aminandré? Indeso atô aminahy izy."20Ary nindôsiny take amin'ny lay zazalahy, izy kofa nahita an'Jesosy lay fagnahy ratsy, dia nampifagnitôgno ananjy zegny. Lavo tambon'ny tany lay zazalahy ary feno ranivy ny vavany. 21Jesosy nagnontany ny babany hoe: "Nanômboko noviagna no naha-karany ananjy?" Dia hozy ny baba hoe: "Nanômboko izy mbôla hély." 22Indraindraiky io fagnahy ratsy io nandavo ananjy tagny agnaty afo na tagny agnaty rano ary nagnandragna ny hamôtiky ananjy. Izikoa mahaÿ magnano ny raha jiaby Anô, dia miantrà zèhay ary ampia zèhay."23Jesosy nivôlalagnana taminanjy hoe: "Izikoa mahaÿ anô"? 24Ny raha jiaby dia hain'jegny mino." Niaraka tamin'jegny ny baban'dra zaza dia nidalala mafy nagnano hoe: "Matôky zahô! Tahy zaho amin'ny tsy finoako!" 25Kofa hitan'Jesosy iré fôkon'ôlo niazakazaka nagnatogna anjaré, dia nivolagniny mafy lay fagnahy malôto ary nagnano hoe: "Ry fagnahy moà sy maregnina, madidy anô Zaho, mibôaha aminanjy, ary aza miherigny mitsofotro akà aminanjy koà."26Nihafatra mafy zegny kè nampifagnintogna mafy lay zazalahy ary avy take niboaka. Karaha ny ôlogna maty lay zazalahy, kè maro no nivôlagna hoe: "Maty izy." 27Fô Jesosy naalaka ananjy tamin'ny tagnany kè nagnarigny ananjy, dia nitsangangna lay zazalahy.28Kôfa nitsôfotra tako an-dragno Jesosy, dia nagnontany Ananjy manôkagna mpianatarny hoe: "Nagnino zaihay no tsy nahavoaroaka lay fagnahy ratsy?" 29Ahozy tamin'jaré hoe: "Ny kara ndregny dia tsy miboaka izikoa-tsy amin'ny alalan'ny vavaka."30Niala také zaré ary nandalo tagny Galilia. Tsy tiàny ho fantan'jôvy na jôvy hoe takaiza zaré, 31fô nampianatra ré mpianatrany Izy. Ahozy tamin'jaré hoe: "Ny zanakôlogna de hatôlotro akagny an-tagnan'ny ôlogna, ké ho vonôn-jaré Izy. Ary kôfa naty Izy.dia afaka telo andro." 32fô tsy takan'jaré io fagnambaragna io, ary natahotra zaré hagnotany Ananjy.33Avtake tônga takà Kapernaomy zaré, kôfa avy nitsôfotra tan-dragno Izy dia nagnotany ananjy zaré hoe: "Ino ny raha nivolagninare tagny an-dalagna?" 34Fô nangigna zaré. Satria efa nandinika tagny an-dalagna zaré ny amin'jegny maventy indrindra. 35Nitoetry, dia nagnatso iré roembifôlo lahy niaraka Izy ary nivolagna tamin'jare hoe: "Izy koa misy te-ho vôlohany, dia tsy maintsy farany amin'ny jiaby izy ary ho mpanômpon'ny jiaby."36Nalaka zazahely araiky Izy ary natôny tagnivon'jaré. iré hoe: 37"Na izôvy na izovy malaka ny zaza karanjo amin'ny agnarako, dia mandray Zaho koa, ary koa misy malaka Zaho, dia tsy malaka Zaho araiky izy, fô lay nagnasa Zaho koa."38Hôzy Jaona Taminanjy hoe: "Mpampianatra ô, nahita ôlogna namoaka demonia tamin'ny agnaranô zaihay ary nivolagnina izy, satria tsy magnarak'antsika." 39Fô Jesosy nagnano hoe: " Aza raragna izy, fô tsy misy ôlogna hagnano asa maventy amin'ny agnarako nefa tailatsaila afaran'jegny dia hivolagna raha ratsy mikasiky Zaho.40Na izôvy na izôvy tsy manôhitra atsika dia màgnaraka atsika. 41Na izôvy na izôvy magnomia anô rano kôpy araiky ho giahigny satria an'Kristy anô, dia volagniko aminô marigny tokoatra, fô tsy ho very ny valim-pitagnany.42Fô na izôvy na izôvy magnano ra mavignitra ny raiky amin-dre de hely mino Anahy zaré, dia tsara ho ananjy ny agnatognana vato maventy fikorôham-bary mifatotra agnambôzony alatsaho an-dranomasigna. 43Rà ny tagnano no matônga ano ho tafitohigny, bongoa. Fô tsara amino ny managnantra agny amin'ny fiainagna naifa managna tagnan-droai ary handèha agny agnafo be, agny amin'ny afo tsy mety vonoigna. 44[Fanamarihagna: Ny fandikagna tsara kôkoà dia tsy magnisy ny fehezanteny ako amin'ny andigniny faha 44 sy 46 hoe: "Zgny tsy maty mihitsy ny ôfagna agnatiny afo tsy manjary vonoigny mandrakizay."]45Rà tôngotranà no magnafitôhagna, bongoà agny. Tsara amina ny mitsikilagna agny amin'ny fiainagna tozay managna tôngotra roai ka naifa mivarigny amin'ny afobe. 46[Zahano ny fanamarihagna ako amin'ny andigniny faha 44]47Izikoa ny masonô no magnafitohagna ano, alao hiala agny. tsara amino ny miditry ny fanjakan'Andriamanitra miaraka amin'ny maso tôkagna kara zegny maso roai ary hariagna agny amin'ny afobe, 48agny amin'ny toairagna zegny tsy mafaty ny kankan'jaré, ary ny afo tsy manjary vonôgny.49Fô ny ôlogna jiaby dia somby ho vôasira amin'ny afo. 50Tsara ny sira, fô raha ny sira no tônga majaiba, ahôana no afahanô mampamasigny ananjy koa? Asiagna sira ako aminare, ary mihavagna amin'ny tsiraikiraiky aby.a"

Chapter 10

1Niala tamin-jègny toèragna zègny Jesosy avitaké nandèha tagny amin'ny faritr'i Joda ndraiky tagny amin'ny faritra ambaniny Reniranon'i Jordana, kè avitake nagnatognan'anjy ny fokon'ologna. Kè araka ny fatôny, de nampianatra anjare ndrèky Izy.2 De nagnontany Ananjy zare Fariseo mbô hizaha Ananjy kè nagnao fô: '' Ara-dàlagna ho any lalahy môa magnary vady ? '' 3Namaly Izy fô: '' Ino ny nagnäsan' i Mosesy anan-dre? 4De ahozy njareo fô: '' Mosesy de nagneky ny lalahy hagnamia taratasy fanamarignana fisaraham-bady kè magnary ananjy avakeo.''5Ahozy Jesosy tamin-jare hoe: ''Nony tsy finohanan-dre no antony nanoratany anan-dre zegny lalagna izegny.'' 6''Fany am-olognan'ny famoronagna, 'Andriamanitra nagnano an-jare ho lahy ndaiky vavy.'7Amizègny antony zègny de hiala ny papany ndraiky mamany ny lalahy kè hitambatra amin'ny vadiny,8 ary hanjary ho nôfo raika zare roy.' Ka tsy ho roy erika zare, fa ho nôfo raika ihany. 9Ka zègny natambatran'Andriamanitra, de aoka tsy ho sarahin'olom-belogna.''10Ary raha tô an-dragnon-jare, de mbola namerigna nagnontany mikasika izègny indraika ny mpianatra. 11Ahozy Izy tamin-jare hoe: ''Na zôvy na zôvy lalahy misaraka amin'ny vadiny nangalaka viavy hafa de mijangajanga. 12Raha misaraka amin'ny vadiny ny viavy ka manambady lalahy hafa, de mijangajanga.''13Avitake nindesin-jare t'Aminy zanakan-jare mbo hametrahagna tagnana, fa nivigniran'jare mpianatra zare. 14 Raha nahay zegny Jesosy, de vignitra be Izy ka nivolagna zare hoe: ''Ambila ny zaza hagnatogna Anahy, ary aza raragna zare, fa ny fanjakan'Andriamanitra an'ire zegny toa azy ireo.15Volagniko aminan-ndre ny tegna marigna, na zôvy na zôvy tsy mandray ny fanjakan'Andriamanitra kara ny zamadinika de tsy hitsofotra amin-jegny velively izy.''16 Avitake de nibatainy reo zamadinika ka notsofany rano sady nametrahany tagnana.17Kôfa nantetra ny diany Izy, de nisy lalahy nihazakazaka ka nandongalita te alohany, sady nagnontany hoe: ''Ry mpampianatra tsara, ino no tsy maintsy hatôko mbo handôvàko ny fiainagna mandrak'izay?'' 18Jesosy nagnao hoe: ''Nagnino Zaho antsohino hoe tsara? Tsisy tsara afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 19 Fantano ny didy hoe: 'Aza mamono ologna, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mijoro ho vavolom-belogna tsy marigna, aza mamitaka, hajèo ny baba sy mamanao'.''20De ahozy lè lalahy hoe: ''Mpampianatra ô efa narahiko laitra za hatramin'ny fahatanorako raha jiaby zegny.'' 21Nizaha ananjy Jesosy de tia anan-jy. Ary ahozy Izy tamin'ny hoe: ''Misy raha tsy ampy raika amino. Tsy mahintsy ambidinao izay rehetra anagnano ary amiavo ny mahantra izany, de hanagna haregna any an-dagnitra ano. Avake magnaraha Zaho.'' 22Fa nohizany filazagna izany de nalahelo ka nandeha nangasihasy, satria nanagna fanagnam-be tokoa izy.23Nizaha ny magnodigna anan-jy Jesosy ary ny volagna tamin-dreo mpianatra hoe: '' Tegna sarotra hoan'ireo managna harem-be ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra!'' 24 De magnana taminy teniny ireo mpianatra. Fa ahozy Jesosy tamin-jare hoe: ''Anaka sarotra ny fidiragna ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25Mora kokoa ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vody filo, noho ny hidiran'ny mpanakarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.''26De mbola magnana migna ny mpianatra ary nifagnontany hoe: ''Izovy no afaka ho voavonjy?'' 27Nizaha an-jare Jesosy ary Ahozy hoe: ''Tsy vitan'ny ôlogna izany fa vitan'Andriamanitra. Satria ny rahà jiaby de hain'Andriamanitra atô.'' 28Nantetra nizaka taminy i Petera hoe: ''Zahavo, Izahay reto de nafoe ny rehetra ary nagnaraka ano.''29Ary ahozy Jesosy: ''Volagniko maringa aminan-dre, tsy misy ôlogna nafœ ny tragnony, na ny rahalahiny; na ny rahavaviny na ny mamany, na ny papany, na ny zanagny, na ny taniny nohony amina, sy ny Filazantsara, 30ka tsy nahazo avo zato heny amin-jo taonjato ankehitriny zao: dia tragno, rahalahy, rahavavy, mama, zanaka, sy tany miaraka amin'ny fagne-njehagna, ary amin'ny taonjato hoavy, de ny fiaignana mandrakizay. 31Fa maro ny voalognany no holasagna farany, ary ny farany ho lasagna volongnany.''32T'andalagna zare, hiakatra ho agny Jerosalema, ary Jesosy nandè talôhan-jare. Gaga ny mpianatra, ary izay nagnaraka tafaran'Anan-jy dia natahotra. Nantsovin'i Jesosy ho Aminy ndreka izy roa ambiny folo ary nantetra nivolagna ny raha ahazo Anan-jy tsy hoèla Izy. 33''Zahavo, miakatra ho any Jerosalema antsika izo, ary ny Zanak'Ologna dia hatondro ny mpisorogna be sy mpanora-dalàna. Ho helohin-jare ho faty Izy ary atondrony Jentilisa. 34 Ireo dia haneso Azy, handrora Azy, handamokan'Anjy, sy hamono Ananjy. Raha afaka telo andro de hitsangana amin'ny maty Izy.''35Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio,nanantogna Azy ary nivolagna Taminy hoe: ''Mpampianatra ô, mbo tinay raha mba atono izay rehetra angatahinahy amino. 36''Dia hoziny tamin-jare hoe: ''Ino ny tianare ho atoko ho anareo?" 37Ahozin-jare hoe: "Abela hiarak'ipetraka amino izahay, ka raika ake an-tanan-kavanano ary ny raika eke ank'avino.''38Fa jesosy namaly anjare hoe: ''Tsy fantanan-dre izay angatahinan-dre. Anandre afaka misotro amin'ny kapoaka izay hisotroako va na hatanty ho ato batisa amin'izay hagnanovagna batisa Ana?" 39Ahozin-jare Taminy hoe: "Vitanay izany.'' Ary nivolagna taminjare Jesosy hoe: Ny kapoaka izay ho sotroiko dia ho sotroinan-dre ary amin'ny hanovam-batisa Zaho, no agnanovam-batisa anan-dre koa. 40Fa zegny hipetraka eo antagnan-vanako na eo an-kaviako koza tsy miankina aminah izany, fa izègny dia hoanjareo nagnomagna anjany.''41Raha naregny mômban-jagny ny mpianatra folo hafa, dia vignitra mafy tamin'i Jakoba sy Jaona. 42Nantsovin'i Jesosy ho eo aminare ary nivolagna hoe: ''Fantanan-dreo fa ire izay heverigna ho mpanapaky ny Jentilisa de mpanompo azy ire, ary ny lebibe mpifehy anjare dia manapatra fahefagna aminjare.43Fa tsy tokony ho kara zegny ny amin'andre. Fa na zôvy na zôvy magniry ho lehibe aminan-dre de oka izy ho mpanompon'andre, 44 ary na zôvy na zôvy magniry aminan-dre dia oka izy no andevonan-dre jiaby. 45 Fa ny Zanak'Ologna tsy tonga ho tompoina, fa mba hanompo, sy hanolotra ny aignany ho takalon'aina ho an'ny maro.''46Tonga to Jeriko zaré. Raha nivoaka ny tanagna niaraka tamin'ny mpianatra sy fokon'ologna maro be Izy, ny zanak'i Timeo, Bartolomeo, izay mpangataka sady jamba, niantotra teo amorondalagna. 47Ra naregny izy fa Jesosy avy tagny Nazareta izany, nantetra nihoraka be izy ary nivolagna hoe: ''Ry Jesosy Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!''48Betsaka no nivolagna mafy lè jamba, nivolagna taminy mba hangina. Fa vao maika izy niaka mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!''49Nidogna Jesosy ary nampiantso anazy. Nantsovin-jare lè jamba, ary nivolagniny hoe: '' Mahereza! Mitsangana! Magnantsova ano Izy.'' 50Nariany ny lambany, ary nitsangana, ka nagnatogna amin'i Jesosy izy.51Dia namaly anan-jy Jesosy nivolagna hoe: ''Ino no tiano atoko amino?'' Ahozy le lalahy Jamba hoe: ''Raby ô, te-hahita zaho.'' 52Ary ahozy Jesosy taminy hoe: ''Mande-hana. Ny nognano no nahavonjy ano.'' Dia nahita niaraka tamin-jany ny masony, ary nagnaraka an'i Jesosy tagny an-dalagna izy.
Chapter 11

1kôfa raha nandeha tagny Jerosalema Izy re, de niàmàriny an'i Betifaga sy Betania, agny an-tendrombohitra Oliva, Kôfa Jesosy nagniraka roe tamin -dre mpianany 2Kôfa nivôlagna taminjare hoe: "Mandihàna amin'iry vohitra hely manolôagna antsena iry. raha tafiditra aka nare, dia hahita zanaboriky raika Mbôla tsy nitengenanôlo. vahao Izy de ndeso aty amiko. 3Raha misy ôlo mivolagna amin-jare hoe: 'magnino nare magnano zô? 'De atôvo hoe: Misy ilain' ny Tompo azy dia haverina haingana aty izy."4 l Nandeha niboaka izire de nahita zanaboriky tôkana nifatotra take avelagny tragno agnilan'ny tamiagna tôkana také amorondalagna , ary novahanandre ny fatorany. 5 Nisy olô sanany nijaridigna také ary nivolagna tamindre hoe : ino raha ataonàre, mamaha io zanaboriky io?" 6De nikoragniny andre ny volagnan' i Jesosy tamindre, ary nabelan'ôlo nandeha amin'ny lalany izire.7Kôfa nindesinjare mpianatra gognalahy roe take amin'i Jesosy gny zaboriky de natôny take ambonin' izeigny ny sikinan'jare ka afaka nideba azy Jesosy. 8fontry gny ôlo namelatra gny sikinany tègny andalagna,ary gny sasany kôza namelatra ratsan-kazo izay notapatahiny avy tagny antsabö .9Ireo izay nadeha take alhany sy ireo nagnarakan' Azy nagnatsoantso hoe: " Hozana! deraina ilay tôkana avy tamin'ny Agnaran'ny Tompo 10deraina ny fanjakana ho an'i Davida Babantsika! Hozana amin'ny Avo indrindra! "11Avake Jesosy niditra tao Jerosalema ka nakao amin'ny kianjan'ny Tempoly ary nijerijery ny raha jiaby. kôfa, nihariva gny andro dia nizotra nankany Betania izy sy ireo roembinifôlo lahy. 12Gny andro magnaraka raha niverina avy tany Betania izire, de vôasôlogna Izy.13 Kôfa nahita kakazo aviavy tokana nodoroboka avy tery lavidavitra, de nagnatogna Izy hijery raha misy vôgniny teo aminy ary rehefa nakeo Izy de tsy nahita na inona na inona afa tsy ravigny ny fôgna, fa tsy mbôla taompamozan' ny aviavy tamin' io. 14Ary Izy nivôlagna tamizeigny hoe: tsy hisy hihinagna voa avy aminao intsony mandrakizay." Ary ny mpianany nitandregny izegny.15Nenga tagny Jerosalema izire ary niditra tao ankianjan'ny Tempoly izy ary nanomboka nandrôaka gny mpivarotra sy ny mpividy jiaby takà. Niravany ny latabatra-njaré mpanakalo vola sy ny sezan- mpivarotra voromailala16 Tsy nambela na iza na iza hitôndra raha izay azo amidy hiditra ny kianjan'ny Tempoly Izy.17De nampianatra andre Izy ka nikoragna hoe: tsy efa voasoratra fô hoe: Ny tragnoko atao hoe tragno fivavahagna ho an'ny firenena jiaby nataonare ho johy fiherehan'ny mpangalatra 18 Regninjare mpisorina sy ny mpanoradalana ireo izay nokoragniny dia nitady fomba amonoana azy ireo fa natahotra Azy izy ireo satria ny fôkonolo jiaby varigna tamin'ny fampianarany 19Rehefa tonga gny hariva, de niala ny tanàna izire.20kôfa raha nadeha izy ire gny mandraigna de nahita ilay kakazo aviavy nalazo hatramin'ny vahany 21Ary Petera nahatsiaro ka nikoragna hoe: Raby ô! jahavo nalazo ilay aviavy nozogninà."22Jesosy namaly azy ireo hoe: 'Manàgna finoana an'Andriamanitra 23koragniko aminare marina tokoa fa na iza na iza mivôlagna amin'ity tendrombohitra ity hoe :mitsangàna ka mirodàgna agny andranomasina. kôfa tsy misy fisalasalana ao am-pony fa mino fa ho azony izay nikoragniny. de toy izany no ataon' Andriamanitra.24Noho ny izegny Izaho mivôlagna aminare hoe: izay jiaby ivavahanare sy angantahire, minoa fa efa nandray izegny ianare de ho azonare izegny. 25Rehefa mijaridigna sy mivavaka ianare de tsy maintsy mamela izay alahelo jiaby izay anagnanare na amin'jôvy na amin'jôvy ianare mba ho ambelan ny Rainare izay agny an-danitra fô koa gny fahotanare.[Fanamarihana: fa gny fandikagna tsara 26indrindra dia tsy maintsy gny hoe :(zahavo matio 15:16 ) MK 11:26" Fa raha tsy mamela heloka kôza anare dia tsy hamela ny fahotanare kôza gny Babanàre izay agny an danitra .27Dia niakatra agny Jerosalema indray izire. Ary raha nandehandeha take ankianjan'ny tempoly Jesosy, de tônga nagnatogn' Ananjy ny lôhan'ny mpisorona, ny mpanoradalagna, ny loholo 28 Ahozy izy ireo taminy hoe "Fahefagna aviitakeza no agnanovanà iregny raha iregny ahozy re taminy hoe: ary iza nagname ana iregny fahefagna iregny.?29Jesosy nikoragna tamindre hoe; " hametraka fanontaniana iraika aminare aho .koragno dia volagniko dia holazaiko nare hoe fahefana avy aiza no agnanôvako iregny raha iregny 30Ny Batisan'ny Jaona avy any andanitra va izeigny sa avy amin'ny olona?Valio Aho."31Nifapidinika miaraka izire sady nifamaly sy nivôlagna raha mamaly antsika hoe avy agny an-danitra de nivolagna izy hoe fa nahoana ary no tsy nino anànjy anare fa raha mamaly kôza antsika hoe :avy amin'ny32 ôlo.....natahotra ny ôlo izire satria resy lahatra ny olo-jiaby fa Jaona de mpaminany tokoa33 Avy namaly an'i Jesosy izire ka nagnano hoe tsy hainé de hoy Jesosy taminjare hoe zah fô koha tsy hivôlagna hoe fahefana aviakeza no agnanôvako iregny raha iregny."
Chapter 12

1Nantetra nampianatra azy reo tamin'ny alalany fagnoarana i Jesosy. Ahoziny hoe: ''Nisy lalahy nagnano tanom-boaloka, kè nagnisy lakoro magnodidigna izègny, ary nandavaka famiazagna. Nanangana tilikambo izy avite nampanofany lè tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voaloboka. De nèngalavitra izy avite. 2Tamin'ny fotogna, dia nagnasa mpanompo handèha any amin'ny mpamboly voaloboka izy mbora halaka amin-jare ny asanagny amin'ireo zay tokony anjarany amin'ny vokatr'ilay tanim-boaloboka.3Fa nisamborin-jare izy, nilamohin-jare izy ary niroasigna tsy hitôndra na inona na inona.4Nagnasa mpanompo hafa nandeha any amin-jare ndrèka izy, de nivakivakin-jareo ny lohany ary nalany baraka.5 De mbola nandefa afa migna, ary nivonin-jare raika. Naton-jare karan-jegny ireo zay nalefa tany, nilamohigna ny asanany ary nivoniny ire hafa.6Mbôla nanagna ologna raika hasaigna Izy, de zanak'ananjy zany. Izy no farany nalèfany tagny amin-jareo. Ahozy hoe: "Mba hagnaja ny zanako lahy zare." 7Nèfa nifam-pizaka ny mpamboly voaloboka hoe: "Ity ny mpandôva. Avia, ndo vonintsika izy ary azontsika ny lova.''8Nisamborin-jareo izy, de nivonigna, ary natsipin-jareo tagny ivelan'ny tanim-boaloboka.9 Koa, ino arika no haton'ny tompon'ny tanim-boaloboka? Ho avy izy handringana ny mpamboly voaloboka ary hagnome tany ho an'olon-kafa.10Tsy nivakinan-dre zô soratra masigna zô? 'Ny vato zè nolavin'ny mpanoron-tragno, no nato vato fehizoro. 11Avy tamin'ny Tompo izegny, ary mahamagna teo imasontsika.'''12 Nizaha ny hisamboragnan' i Jesosy zareo, saingy matahotra ny fokon'ologna zare satria fantan-jare fa hanoheragnanan-jaré no nivolagnany izañy fagnoharana izañy. Ka de navelan-jare Izy ary lasagna nandeha zare.13De nagnasa ireo Fariseo sy Herodiana sanagny ho any Aminan-jy mbo hamandrikan'Anjy amin'ny teny zare. 14Raha tônga zare de ahozin-jare taminy hoe: '' Mpampianatra ô fantanay fa tsy mivakiloha ny hevitry ny ologna Iano, ary tsy mamoaka fiangaragna eo amin'ny ologna. Mpampinatra marigna ny lalan'Anandriamanitra Ano. Ara-dalagna ve sa tsia ny mandoa hetra amin'i Kaisara? Tokony handoa hetra sa tsia?'' 15Fantan'i Jesosy ny fihatsaram-belatsihin-jare ka nivolagna izy hoe:' 'Nahogna anandre no mitsapa Za?'' Itondra denaria raika Za mbo hizahavako izany.''16De niton-dran-jare vola raika i Jesosy. Ahozy tamin-jareo heo: ''Mitovy zôvy ito sary sy sôrata ito?" Ahozin-jare hoe: ''An'i Kaisara.''17Ahozy Jesosy hoe: ''Amivo an'i Kaisara zegny an'i Kaisara, ary amivo an'Andriamanitra zegny an'Andriamanitra.'' De midagnako taminy zare.18Aviteo zare Sadoseo, ary nivolagna fa tsy misyy fitsanganagna amin'ny maty, de tonga teo aminy. Nagnontany Ananjy zare, nagnano hoe: 19''Mpampianatro ô, zô nosoratan'i Mosesy ho anay hoe: 'Raha maty ny ralahalain'ny lalahy iraika ary nambela vady izy, nèfa mbola tsy niteraka, de tokony manambady ny vadin-dralahin'ny lè lalahy, ka hanagna taranaka hoan'ny ralahiny.'20Nisy fito miralahy; nanambady lè volognany ary maty, tsy nambela taranaka.21 Avite nalaka'ananjy ny faharoa de maty, de karan-jany koa ny fahatelo. 22Tsisy nambela taranaka zeo fito. Taminy farany de maty lè ramatoa.23 Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, raha hitsangana indraiky zareo, de hovadin-jovy izy? Satria favy nanambady anan-jy daholo zare fito miralahy."24Ary ahozy Jesosy hoe: ''Tsy zagny raha maha-diso hevitran'andre va, satria tsy fantan'andre na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra? 25Satria raha hitsangana amin'ny maty zare de tsy hanambady na hatolotra hoan'ny fanambadiagna, fa ho kara anjely any andagnitra.26Fa mikasika ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, tsy nivakin'andre ny tô amin'ny bokin'i Mosesy, ao amin'ny andalagna mikasika ny voaroy, ny niresahan'Andriamanitra taminy ka novolagny hoe: ''Zâ no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba'?27Izy de tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velogna. Somary diso ny hevitr'andre''28Nisy raika tamin-jare mpanoratra làlagna tonga ka naregny koragnan-jare; fa nivalian'i Jesosy tsara zareo. Ary nagnontany Azy izy hoe: ''Ino tegna lehibe aminy didy jiaby?''29 Namaly Jesosy hoe: ''Ny maventy indrindra de hoe: ''Mitandrignesa, nyTompo Andriamanitsika, ry Israely, raika ny Tompo. 30Tsy mentsy mankatia ny Tompo Andriamanitr'ano aminy fôno rehetra ano, amin'ny fagnahino jiaby, amin'ny sègnano rehetra sy amin'ny herino manontolo.' 31Ity ny didy faharoa: 'Tsy mèntsy mankatia ny namano kara ny tenano ano. 'Tsy misy didy lehibe ankotran'ire.''32Ozy le mpanoratra làlagna hoe: ''Tsara zany, ry mpmpianatra! Voalazano marigna fa Andriamanitra de Tokagna, ary tsisy afa ts'Izy. 33Ary mankatia ananjy amin'ny fo manontolo sy amin'ny saigna rehetra, sy ny hery rehetra ary mankatia namagna tahaka ny tena, de tsara lavitra mihoatran'ny fanatitra hidoragna sy ny sorona rehetra.34''Raha hitan'i Jesosy fa nagnome valin-teny hendry Izy, de nizaka taminy izy hoe: ''Tsilavitry ny fanjakan'Andriamanitra ano. ''Tafarak'izany, de tsisy nasahy nametraka fagnontaniagna tamin'i Jesosy èka.35Namaly Jesosy, raha nampianatra tako amin'ny tempoly Izy; de Ahozy hoe:"Karakory mo hivolagnan'ny mpanoratra lalagna fa i Kristy de zanak'i Davida? 36Davida tenany, tamin'ny Fagnay Masigna, magnano hoe: mipètraha eto an-tanan-kavanako, mandrapahagnaboarako ny fahavalono ho fitœrany tongonô.' 37Davida tegnany no nagnatso Ananjy 'Tompo,' koa karakory no maha zanak'i Davida i Kristy? Nitandregny anan-jy ampi-faliagna ny fokon'ologna maro be.38Tamin'ny fampiagnarany Jesosy de nivolagna hoe: Mitandrema amin'ireo mpanora-dalàna, izay mandèndèha amin'ny akanjo lava ary tian-jareo ny fiarabagna azon-jare hagny an-tsena 39ary tian-jare ny mahazo sezy volognany any synagoga sy ny toeragna volognany any amin'ny fety.40Mandroba tranon'ireo mpitondra tena izy ireo, ary magnano vavaka lava be mbora ho hitny ologna. Ireo lalahy ireo andray fagnamelohagna lehibe kokoa.''41Avitaké Jesosy de nipetraka nifagnitsy ny vatan-drakitra tô amin'ny faritry ny tempoly; nizaha ny ologna rehetra izay nandatsaka vola tô amin'ny vatan-drakitra. Mpanankaregna no tegna nandatsaka vola betsaka tô. 42De nisy viavy mahantra mpitondra tena raika tônga nandatsaka farantsakely roa, izay hely bolitika raha ampitovisagna amin'ny iraimbilanja.43Ary nantsoviny ireo mpianatra ary ahozy Izy hoe: ''Volagniko amin-dre marigna tokoa ito viavy mahantra mitondratena ity no nandatsaka vola bètsaka mihoatra amin'ologna nanda-tsaka vola tô amin'ny vatan-drakitra. 44Satria ny rehetra nagnome tamin'ny fanagnamben-jare. Fa ity mpitondratena ity nagnome taminy fahantrany, de nandatsaka vola tokony hivilomany tô.''
Chapter 13

1Ary rà niala takà an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nivolagna tami'ny araiky tamin'jaré mpianatrany hoe: "Mpampianatra ô, zahava ny hatsaran'ny vato sy ny hattsaran'ny rafitry!" 2Hozy taminanjy hoe: "Hitanô mo reto rafitry maventy reto? Tsy havaila hisy vato areky hifampitikigna ake ke tsy ho ravagna."3Rà nidôko také an-tanetin'Oliva nifagnandrify ny tempoly Izy, dia nagnontany Ananjy mangingigna Petera, Jakoba, Jaona sy Andrea hoe: 4"Volagno aminay, hoviagna no hitranga zegny jiaby zegny? Ino no famantaragna izikoa hitranga iré raha iré?"5Ary Jesosy nanômboko nivolagna tamin'jaré hoe: "Mitandrèma mbo tsy hisy ôlogno hampivily lalagna anandré. 6Fô maro no ho avy amin'ny Agnarako sy hivolagna hoe: "Zaho no izy", ary maro no ho voafitaka.7Rà naregny ady sy korambe momban'ny ady anaré, dia aza magnahy; tsy maintsy higadogna iré, fô tsy mbôla zegny ny farany. 8Fô hisy firenegna hitsangagna hamely firenegna, ary hisy fananjakagna hamely fanjakagna. Ary hisy hôrohôron-tany amin'ny toeragna maro, sady hisy silogna. Zegny no fihantombohan'ny fiterahagna.9Mitandrèma anaré. Ho atôlotron'jaré amin'ny Synedriona anare, ary ho vilezigna ako amin'ny Synagoga. Hitsangagna manoloagna iré mpanapaka sy iré mpanjaka noho ny Aminahy anaré, ho vavolombelogna amin'jaré. 10Fô ny Filazantasra dia tsy maintsy ho toriagna agny amin'ny firenena jiaby alôngany.11Rà misambotro sy manôlotro anaré zeré, dia aza magnahy ny amin'jegny tôkony ho volagninaré. Fô amin'igny ôra igny, dia hamiagna anaré zegny tôkony ho volagninaré; tsy anaré akôry no hivolagna, fô ny Fagnahy Masigna. 12Ny ralahy hanôlotro ny ralahy ho faty, ary ny baba hanôlotro ny zanany. Ny zanaka hitsangagna hanôhitry ny ray aman-dreniny ka hahavono anjaré. 13Ho halan'ny ôlon-jiaby anaré nôhon'ny Agnarako. Fô na izôvy na izôvy maharitry hatragniamin'ny farany, dia ho voavônjy zegny ôlogna zegny.14Fô raha hitanaré mitsangagna aké amin'ny tsy tôkony hitsanganany ny fahavetavetagnan'ny fandravagna (oka hisaigna zegny mamaky), dia aoka zegny avy agny Jodia jiaby hilaifa agny an-tanety, 15zegny ako an-tafon-tragno oka tsy handrorogno ako an-dragno na hamôaka raha avy ako amin'jegny, 16ary zegny agny an-tsaha oka tsy hiverigna hialaka ny akanjony.17Lozan'jaré vihavy bikibo sy mampinono amin'jegny andro zegny! 18Mivavaha anaré mbô tsy ho amin'ny ririrgnina no hitrangan'jegny. 19Fô hisy fahoriagna be, zegny tsy mbôla nisy hatragniam'bôlohany, kôfa namôrogno zô tôntolo zô Andriamanitra, ke mandrak'iniany, ahà, kè mandrakizay tsisy kôza zagny. 20Izy kô tsy nafohézin'ny Tompo zegny andro zègny, dia tsohisy nôfo ho voavonjy. Fô nôhon'ny ôlom-bôafidy, zègny voafidiny, dia nafohezin'ny isan'jegny andro zègny.21Ary koa misy ôlogna mivôlagna hoe: "Zahano, atô lay Kristy!" na koa hoe: "Zahano, arô Izy!" dia aza matôky anjègny. 22Fô hisy Kristy sandoko sy mpaminagny sandoko hiboaka kè hamoaka famantaragna sy fahagagagna, mbô hamitahagna, na dia ny ôlom-bôafidy aza, kôa azo atô. 23Miambèna! Efa nivolagniko taminaré mialôha ny fotoagnan'iré raha jiaby iré.24Kanaifa afaran'ny fahoriagnan'iré, dia hanômbokoahizigny ny masôva, ny davôlagna tsy hagnamia ny hazavagna, 25iré kintagna hiraraka avy agny amin'ny lagnitry, ary iré hery zègny ako an-dagnitra ho hôzongôzognina. 26Kè ho hitan'jaré ny Zanak'Ôlogna avy agny amin'ny rahôgna amin'ny hery mafy sy voninahitry. 27Ary hagnasa ny anjeliny Izy kè hagnangogna miaraka iré ôlom-boafidiny avy agny amin'ny vazan-tany èfatra, avy agny amin'ny faran'ny tany kè hatragny amin'ny faran'ny lagnitra.28Malaka lesogno avy amin'ny kakazon'aviavy. Rà koa mandady sy maniry ny rantsany, dia fantanaré fô mariny ny lôhatogno. 29Kara zègny koa, izy ko hitanaré mitranga zègny raha jiaby zègny, dia fantanaré fô èfa mariny Izy, marikitry ny vavahady.30Volagniko aminaré, marigny tokoatra, itô taranaka itô dia tsy ho foagna mandra-pitrangan'jegmy raha jiaby zègny. 31Ho levogno ny lagnitra sy ny tany, fô ny teniko kosa tsy mbô ho levôgna mandrakizay. 32Fô ny mahakasiky zègny andro na fotoagna zègny, dia tsisy mahai, na dia iré anjely agny an-andagnitra aza, na ny Zanaka, fô ny Baba foagna.33Mitandraima! Miabaina, satria tsy fantanaré ny fotoagna. (Fanamarihagna: Iré fahaifagna talôha dia hoe: Mitandraima! Miabaina ary mivavaha, satria...) 34Zègny dia karaha ny lilahy araiky handaiha lavitra_niala ny tragnony izy kè iré mpanompony no nasainy niambigna ny tragnony, samy amin'ny raharahany avy, ary nandidy ny mpiambigna Izy mbô tsy hatôry.35Koa miambèna, satria tsy fantanaré hoe hoviagna no ho avy ny tompon-tragno; mety ho amin'ny androaligna zègny, na amin'ny sasak'aligna, na magneno akôho, na mandraigny. 36Fô koa avy tampoko izy, dia aza avèla hahita anaré mandry izy. 37Izy volagniko aminandre dia volagniko amin'ôlogno jiaby koa: Miambèna!"

Chapter 14

1Ary roa andro alohan'iny Paska sy ny Fankalazagna ny finanagna ny Mofo tsy misy Masirasira tamin'izany. Nizaha fomba hisamboragna an'i Jesosy mangingina ire lohany mpisorogna sy ny mpanoradalàna ary hamono Azy avakeo. 2Fa ahozin-jare hoe: ''Alo tsy amin'ny andro fety, mbo tsy hanabataba ny ôlogna.''3Raha tagny Betania tô anpdragon'i Simona boka i Jesosy, raha nipètraka to an-databatra Izy, de nisy viavy raika hagnatogna Azy nitôndra tavoara alabastera misy menaka lafo vidy izay narda tsimifangaro. Nivakiny ilè tavoara de nararany amin'ny lôhany izegny. 4Nahavignitra ny ôlogna asanany anefa zegny. Nifampy volagna izire ka nagnano hoe: ''Ino no aton'izô fandanindanigna izô? 5Io menaka magnitra io azo ambidy mihoatra ny telonjato denaria, ary namiagna ny mahantra.'' De nivigniran-jare ilè viavy avitake.6Nèfa ahozy Jesosy hoe: ''Ambile izy. Nagnino anan-dre magnano zay mampalahelo Anan-jy? Raha tsara natony taminà. 7Ny mahantra de eo amin'andre mandrakariva, ary mahazo magnano asa soa ho anjare fogna anare na aminy fotogna ino na fotogna ino, fa Izaho koza tsy hidôka aminan-dre mandrakariva. 8Nagnano izay azony ato izy: nagnosotra ny vatako ho amin'ny fandivegnana izy. 9Volagniko marigna aminan-dre na zôvy hitoriagna ny Filazantsara magneragna izo tontolo izô, de volagnina ny naton'ity viavy ity, mbô fahatsarovagna anan-jy.''10Tônga te Jodasy Iskariota, raika tamin'izy rombifolo lahy lasagna amin-jare lohan'ny mpisorogna hahafahan-jare manondro Azy eo amin-jare. 11Raha naregny an-jegny ire lohanim-pisorogna, de faly zare ka nanpagnantegana hagnome vôla anan-jy. De nanomboka nizaha hevitra hanoloragna amin-jare izy.12Tamin'ny andro volognan'ny finanagna ny Mofo tsisy masirasira, raha nagnano ny sorogna ny ondrin'ny Paska zare, de ahozy ire mpianatra taminy hoe: Aiza tiano andehananay hikarakaragna sakafo, mbo hinanano sakafon'ny Paska?'' 13De nagnasa roy tamin'ire mpianatra Izy ka mivôlagna tamin-jare hoe: ''Mandehana agny an-tanagna, ary hisy lalahy mitondra siny feno rano hitrotra aminan-dre. Magnaraha Anan-jy. 14Izay tragno hidirany, magnaraha azy de volagno ny tompon'izegny tragno zegny hoe: Ahozy mpampianatra hoe: ''Akaiza ny hefitragno fandraisam-bahiny ahafahako miaraka mihinagna amin'ire mpianatro?"'15Hatoroko anandré ny efitrano maventy any ambony etazy misy fanaka izy efa vonogna tsara izy. Ako no atovy ny fanomanagna rehetra ho antsika.'' 16 De lasagna ny mpianatra nandika ny tagna. Hitan-jare araka izany izé efa ny volagny tamin-jare ny raha jiaby, de nanomagna ny sakafon'ny Paska izireo.17Raha haligna ny andro, de tonga niaraka tamin-jare roa ambifolo lahy Izy. 18Raha nipetraka teo an-databatra sy nihinagna izy ire, ahozy Jesosy hoe: ''Volagniko marigna aminan-dre, fa ny raika amin'andre izay miaraka mihinagna amiko eto de hamadika Anà.'' 19Nalahelo mafy izy rehetra, ka nivolagny taminy ny tsirekareka hoe: ''Tsy Zà zègny e."20Jesosy namaly ka nivolagna tamin-jare hoe: ''Ny raika amin'andre roa ambiny folo izegny, le raika miaraka magnatroboka mofo Aminah agnaty lasety izo.''21Fa ny Zanak'Ologna de handeha amin'ny lalagna izé efa nivolagniny Sôratra Masigna momba Azy. Fa lôza kòza hoan'ny lalahy izè mamadika ny Zanak'Ologna izegny. Tsara hoanan-jy kokoa aza raha tsy teraka izy.''22Raha mbôla te ampinanagna izire de nangalaka ny mofo i Jesosy, nisôtra, ary nirasarasainy izegny. Natondro an-jare izegny sady nagnano hoe: ''Raiso, ity no vatako.'' 23 De nangalaka ny tasy Izy, nisôtra, ary natondro an-jare izany, de nisôtro taminjegny izy jiaby. 24De ahozy Izy tamin-jare hoe: ''Ity ny ràn'ny fagnekem-piavanako, rà izegny alatsaka ho an'ny maro. 25Volagniko marigna amin'andre, tsy hisotro itô vokatry ny voaloboka itô kôza Izaho mandra-pahatongan'ny andro izey hisotroako izegny idraika any amin'ny Fanajakan'Andriamanitra.''26Rha avy nihira fideragna izire, de nandeha any an-tandrombohitr'Oliva, 27 Hozy Jesosy tamin-jare hoe: ''Hiala Za tokoatra anan-dre jiaby, fa vosôratra hoe: 'Hamely ny mpiandry ondry Za ary hiparitaka ny ondry.'28Fa raha avy nitsangana amin'ny maty Za, de hialôha lalagna anare ako Galelia.'' 29De ahozy Petera taminy hoe: ''Na iala dahôlo aza ny rehetra, izaho tsy mbo iala zany."30Ahozy Jesosy taminy hoe: ''Volagniko marigna amino, fa niany ariva, raha mbola tsy magneno akory ny akoho, de efa handà Ana in-telo ano.'' 31 Fa ahozy hoe: ''Na tsy mentsy miaraka maty aminao aza Zah, tsy mbô handà Ano.'' De samby nampananetegna kara anjagny daholo zare jiaby.32Ary tônga tagny amin'ny toeragna ato hoe Getsemane zare, de ahozy Jesosy tamin'ny mianatra hoe: ''Mipetraha aketo fa mbola mivavaka Zaho.'' 33De nidosin'ny i Petera, sy Jakoba, ary Jaona niaraka taminy Izy ary nalahelo sady hory tanteraka. 34De Ahozy tamin-jare hoe: ''Fadiranovana lôtra ny Fagnahiko kara efa ho faty. Mipetrah aketo de miambena.''35Nagnalavitra kely Jesosy, nankohotra taminy tany, de nivavaka Izy raha ôhatra azo atô, de hiala Aminy izany lèra izegny izy. 36 Ahozy Izy hoe: ''Aba, ray o, ny raha jiaby haino ato. Alaho amina ity kapoaka ity. Nefa hoka tsy sitrapoko ny atô, fa ny Ano.''37Niherigna Izy de nahita anan-jare nandry, ka ahozy Izy tamin'i Pietera hoe: '' Simona, mandry mè ano? Tsy nahavita niambina lera raika va ano? 38Miambegna de mivavaha mbô tsy hidiran'andre aminy fakam-panahy. Ny fagnahy mety mazoto tokoa, fa nofo no malemy.'' 39De nandeha ndraika izy niala kely ary nivavaka, ary de namerigna ny teniny teo aloha migna.40Niherigna indraika Izy de nahita anjare nandry, fa navesatra ny torimaso ny mason-jare ary tsy nahita zegny novolagnina taminy . 41Nagnatona mpagnintelo Izy ka nivolagna anjareo hoe: ''Mbôla mandry malaka haina fogna va anan-dre? Ampy izay! Efa tonga ny fotogna. zahava! Ny Zanak'ologna nivadihana hatondro an-tagny mpanota. 42Mitsangàna; ando andeha andtsika. Zahavo, efa marikitry ilè hamadiaka Anah.''43Ary raha mbola ampivolagana Izy, de tônga Jodasy, raika aminjare roa ambifolo lahy, niaraka taminy fokon'ologna maro izy ize nitôndra sabatra sy lalagilangy, avy amin-jaore lohan'ny mpisorogna ny mpanoradalàna, ary ny lohona. 44Ary lè mpamdika Azy nagnome famantaragna anjare, nivolagna hoe: ''Izegny hirohako, Izy lèn Izy. Samboro Izy de ambeno.'' 45Raha tônga Jodasy, de nagnatogna an' i Jesosy avy hatrany izy sady nivolagna hoe: ''Raby'' ary nagnoroka Azy izy. 46Avite de nisamborin-jare Jesosy.47Nisy araika tamin-jare nijtsangana te kanamoaka ny sabtrany ary namango ny mpanompon'ny ka nanapaka ny tadigniny. 48 Ahozy Jesosy tamin-jare hoe: ''Avy hanambotra Za, kara hanambotra jiolahy, miaraka amin'ny sabatra sy lalangilangy va anan-dre? 49Taminy Za teo aminareo isan'andro sy nampianatra tô amin'ny tempoly, tsy ny sambôrinan-dre. 50Fa natô izo mbô hatanteraka ny Sôratra Masigna.'' De nando Azy daholo izy jiaby niaraka tamin'i Jesosy ary nisitrika.51Ary nisy tovolahy arèky, tsy nitafy afa-tsy lamba hariry fotsy ihany, naganaraka, an'i Jesosy. Raha nosamborin'ny ôlogna izy 52 de nambelany te ny lambany ka lasagna nilèfa izy sady tsisy lamba izy.53Nindesin-jare tagny amin'ny mpisorona be Jesosy. Niara ny vory te daholo ny mpisorona jiaby, sy ny loholona, ary ire mpanora-dalàna. 54Ary Petera nagnaraka Aananjy tany lavidavitra any, hatrany amin'ny tokotan'ny mpisorona be. Nipetraka teo amin-jare mpiambigna izy, izay namindro teo amin'ny afo.55Ary ire lohan'ny mpisorona sy ny Synederiona Jiosy de nizaha vavolombelogna manohitra an'i Jesosy mbô hahafan-jare mamono Anan-jy. Saingy tsy nahita zare. 56 Fa maro ny niampanga lènga Anan-jy, nefa ny fampangan-jare aza tsisy marigan avokoa.57Ary nisy ologna asanany nitsangana ka nampanga lènga Anan-jy; ahozinjare hoe: 58''Regninay Izy nivolagna hoe: ' Ho ravako ity tempoly namboarina tagnana ity, ary agnatiny telo andro Zaho de hanangana reka hafa tsy hamboarin-tanana.'' 59Fa mbola tsy nifagnaraka migna ny fampangan-jare.60
61 Fa nagigna Izy sady tsy namaly na ino na ino. De mbôla nagnontany Anan-jy indraiaka ny mpisorona be hoe: ''Iano va i Kristy, Zanak'Ile vohatahy? 62AryDe ahozy Jesosy hoe: ''Izaho no Izy; ary hitanan-dre ny Zanak'Ologna raha mipetraka eo an-tanankavanan'ny herin'Andriamanitra sy avy amin'ny rahon'ny lagnitra.''63Ary ny mpisorona be nan-drota ny lambany sady nagäno hoe: ''Mbola mila vavolombelogna koa va antsika?64Efa regninan-dre ny fitenenan-dratsy. Ino no fanapahan-kevitra anan-dre?'' Zare jiaby samby nagnameloka Azy ny mendrika ho maty.65Ny asnany niantetra nandrora tamin'Anjy ary nanampigna ny tarehiny ka nandamoka Anan-jy ary nagano taminy hoe: ''Maminagnia! Ary ire manamboninahitra nalakan'Anjy ka nandaroka Anan-jy66Ary raha te ambany an-kianja Petera, de nagnatona azy araika tamin-jare mpanompo vavin'ny mpisorona be. 67 Nahita an'i Petera nitsangana namindro te amin'ny afo izy, de nodinihany akaiky. De ahozy taminy. ''Ano koa niaraka tamin'ile Nazarena, Jesosy. 68''Fa izy nandà izegny, nagnno hoe: ''Tsy fantako sady tsy azoko ny raha volagnino.'' Avy te de lasa niala ny kianja izy.[Fanamarihana: Ire fandikana asanany manampy hoe: ''De nagneno ny akoho,'' fa ireo fandikagna taloha tsara indrindra dia tsy misy an'io teny io.]69Fa ilè zaza vavy te nahita anan-jy de nanaomboka nivolagna tamin-jare hoe: '' Io lalahy io de raika tamin-jare!'' 70Fa mbôlala nandà kao izy. Kelikely avy teo ahozin-jareo nitsangana teo tamin'i Petera hoe: ''Raika amin-jre mihitsy ano,satria ano koa de Galliliane.''71Fa nanomboka nagnozontegana sy nagnao veliranao izy hoe: ''Tsy haiko izany lalahy volagnin'andre izegny.'' 72Ary niaraka tamin-jegny de nagneno ampanindroany ny akoho. Avite de natsaro ny tenin'i Jesosy taminy Petera hoe: ''Raha tsi mbola magneno fagnindroa ny akoho, de handà Zaho intelo ano,'' De nalahelo mafy izy sady nitomagny.
Chapter 15

1Vo mahizimbe, de nivôry ny mpisorombe iraidia tamin'ire lohôlo sy ire mpanora-dalana ary ny synedryona Jiosy araika manontôlo. nofatoran-jare Jesosy ary nentin'izire niboaka. natolotr'izire take amin'ny Pilato Izy.2 Nagnotsaf' Anazy pILato hoe: " ianà me no mpanjakan'ny Jiosy? " novaliany hoe : " voalazanà. "3 Nanolotra fiampangagna fontro nanohitra an''i Jesosy ire lôhan'ny mpisorona.4Nagnotsaf' Anazy indraiky Pilato hoe: " Tsy manome valin-teny vô anà? Jahavo ny anfontrin'ny fiampangana anà indôsin-jare manohitra Aná! "5 Fa tsy namaly an'i Pilato kôza Jesosy, de nahavariagn' anazy izeigny.6Kofa tamin'ny andro firavoravoana, de namoaka gadra araiky ho anazy ire fôgna Pilato, gadra izay angatahi'izy ire. 7Niraidia tamin'ire mpikomy tao am-ponja, teo amin'ire mpamono ôlo izay voatazogna nohon'ny fandraisan'izire anjara tamin'ny fikomiana, dia nisy lalahy araika antsoina hoe :"Barnabasy.8 Dia nankeo amin'ny Pilato ny fokonôlo ka Nanomboka nangataka taminy mbô hagnanôvany anazy ire araky ny fataony tagny aloha.9Pilato namaly anazy ire ka nivôlagna hoe:" Tianare vô raha ny Mpanjakan'ny Jiosy no alefako ho anare?"10 Satria fantany fa fialonana no nanoloran'ny lôhan'ny mpisorona an'i Jesosy taminy.11 Fa nagnetagna ny fôkonolo ire lôhan'ny mpisorona mbô hidalala maré fa tokony ho Barabasy kôza no havôsotro.12Dia namaly anazy ire indraiky Pilato ka nagnano hoe:" Ino arika izeigny no tôkony ho ataoko amin'ny Mpanjakan'ny Jiosy?" 13 De nidalalalala indraiky izire hoe:" Homboy Izy!"14Ahozy Pilato amin-jare hoe:" Ino ny tsy tsara nataony?" Fa nidalala maré hatrany hatrany izire hoe:" Homboy Izy." 15 Te hagnanôvany izay hahafapô azy ire Pilato, koa dia nahafany ho Anazy ire Barabasy. Novangoiny Jesosy ary aviake natolony mbô hofantsiana.16Nindosin' ire miaramila ho eo an-kianja Izy ( izay ivon-toeran'ny fanjakana), ary nantsoin-jare jiaby ny antôko miaramila manontolo.17 Nampisikinin' izire lamba volomparasy Jesosy, ary nandrandragna fehiloha fantsy izire ka namemetraka izeigny teo aminy. 18De Nanomboka nangnotsaf' Anazy izire ary nivôlagna hoe:' Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!"19Novangohin'izire tamin'ny volotara ny lohany sady nandrora teo aminy. De nandohalika teo anatrehany izire mody nider' Anazy.20 Rehefa avy nagneso Azy izy ire, de nendahin' izire taminy indraiky ny lamba volomparasy ary nampisikinin'izy ire Anazy ny fisikinany manokana , ary de nindesin-jare niboaka Izy mbô hamantsian-jare Anazy.21 Noteren-jare ny mpandalo anakiraiky izay avy agny antsabo mbô hilanja ny kakazofijalian' i Jesosy, lalahy araika angizana hoe Simona Kyreniana Baban'i Aleksandra sy Rofosy.22Nindesin-jare miaramila tagny amin'ny toerana atao hoe Golgota Jesosy ( izay midika hoe " Toerana ; ny karakandôha ' ).23 Namian' izire divay nifangaro miora Izy, fa tsy nigiaka an' izeigny Izy.24 De nofantsian-jare Izy, ary nifampizaran-jare tamin' ny alalan' ny ankitsapaka ny fitsikinany mbô hahalalana izay ampahany raisin'ny miaramila tsirairay.T25amin'ny ora fahatelo Izy no nofantsian' izire .26 Ary teo amin'ny takelaka kakazo araiky no nosoratan' izire ny fiampangana nanohitra Anazy hoe:" Mpanjakan ' ny Jiosy."27 Jiolahy roe no niraidia nofantsian;' izire taminy, ny araiky teo ankavanany ary ny araiky kosa teo ankaviany.28 [ Fanamarihana: Ireo fandikana taloha tsara indrindra de tsy manitsy ny Marka 15: 28 hoe: " De lavorary ny Soratra Masina magnano hoe:" natao ho isan ' ny mpanota Izy. ! ( Ampitahao ny Lioka 22 : 35 ) ]29Ireo izay nandalo teo de naniratsira Anazy, nagnifikifi- dôha ary nagnano hoe;" Aha! Ianao Ilay afaka mandrava ny Tempoly ary magnorina izeigny ao anatin'ny telo andro,30 Vonjeo ny tegnanao ary mandrôrogna avy amin'io kakazofijaliana io!"31Ny lôhan'ny mpisorona koa de nagneso Anazy Karaha izeigny, niraidia tamin'ire mpanora-dalana, ary nivôlagna hoe;' Namonjy ny hafa Izy, nefa tsy mahavonjy ny tegnany. 32Aoka Ilay Mesia, Ilay Mpanjakan'Israely, handrôrogno avy akeo amin'ny kakazofijaliana, mbô ho jahavanay ary hinoanay," ary ire nofantsihana niraidia taminy koa de nagneso Anazy.33Tamin'ny ora faha enigna, de tônga take amin'ny tany jiaby ny aizina hatramin' ny ora faha sivy. 34 Kôfa tamin'izeigny ora fahasivy izeigny de nidalala tamin'ny feo marè Jesosy hoe:" Eloy, Eloy, lamà sabaktany?" izay midika hoe:" Andriamanitro ô, Andriamanitro ô , nahoana Anà no nahafoy Ahy?" 35Ny sanany tamin'izire izay nitsangana take nandregny ny koragnany ka nivôlagna hoe :" Jahavo, magnatso any Elia Izy. "36Nisy ôlo araika nihazakazaka, nangnazoboka divay madilo ny eponzy , ary nametaka izeigny tamin'ny volotara, de nagnamia izeigny ho sotroiny. Ilay lalahy nivôlagna hoe:" Aoka jahavanay raha ho avy ampandrorogna Anazy akeo Elia." 37Aviake Jesosy nidalala tamin'ny feo marè dia maty.38 Rota nizara roe hatragny ambony ka hatrany ambany ny Lamban'ny Tempoly.39Kôfa hitan' ilay kapiteny izay nitsangana sy nifanatrika tamin' i Jesosy fa maty tamin' izeigny fomba izeigny Izy, de Ahozy Izy hoe:" Tena Zanak'Andriamanitra marina tokoa Io Lalahy Io.40 De nisy vaiavy koa nijaha tegny lavitra tegny .Isan'izeigny Maria Magdalena, Maria ( renin' i Jakoba zandriny sy Jesosy ) ary Salome.41 Tamin' Izy tagny galilia de nagnarak' Anazy sy nanompo Anazy izire. Ary vaiavy fontro hafa koa no niraidia niakatra taminy tagny Jerosalema.42Kôfa tônga ny hariva, satria andro fiomanana, izegny hoe, andro mialohan' ny Sabata io, 43de tônga take Josefa avy agny Aramatia, mpikambana hajaina ao amin'ny Synedriona izy, izay nandigny ny Fanjakan' Andriamanitra. Nanam-pahasahiana izy nankany amin'ny Pilato hangataka ny fatin' i Jesosy.44 Variagna Pilato hoe maty sahady Jesosy ; de nangizan' ilay kapiteny ary nagnontany azy izy raha maty Jesosy.45Rehefa nahazo antoka tamin' ilay kapiteny izy fa maty Jesosy, de nomeny an' i Josefa ny vatana manara.46 Ary Josefa nividy hariry madinika . Nampandrorogno an' i Jesosy teo amin'ny kakazofijaliana izy. de namono Anazy teo amin'ny fasana izay nolavahana tao amin'ny vatolampy. Aviake nanakodia vato maventy teo amin'ny tamiagnam-pasana izy .47 De hitan' i Maria Magdalena sy Maria maman' i Jesosy ny toerana nandevenagn'Anazy.
Chapter 16

1Kôfa tapitra ny andron' ny Sabata, de nividy raha magnitra ahôsotro amin' ny fatin' i Jesosy i Maria Magdalena ndraiky Maria maman' i Jakoba, ndraiky Salome nividy hagnitra mbô handeha kè hagnôsotro ny fatin' i Jesosy. 2Vô mahizim-be tamin'ny andro vohaloha' ny herinandro, de nankeny amin' ny fasana izy zare kôfa niposaka ny masôva.3De nifampikoragna izy zare fô:" Azôvy no anakodia ny vato eo amin'ny tamiagnan' ny tragno manàra ho antsika?"4 Kôfa nitraka zare , de hitany fa efa voakodia niala ilay vato , izay tena maventy tokôatra,.5Nitrôfotro takô an- tragno manara zare de nahita gaön-dahy niankanjo fotsy, nidôko take ankavanana, kè de variagna zare6 . De ahozy Izy taminin' zare fô:" Aza mavôzo. Miaragna an' i Jesosy nare, Ilay Nazarena, izay nofantsihana. Nitsangana Izy! Tsy aketo Izy. Jahavo ny toerana izay namitrahan-jare Anazy.7 Fa mandihàna, koragnó zare mpianany ndraiky Petera fa hialôha lalagna anjare agny Galilia Izy. agny no hahitanare Anazy, araky izay nivolagniny taminare.'8Nibôaka zare kè nihazakazaka niala ny tragno manara; nangôrohôro sy variagna zare. Tsy nivôlagna na ino na ino tamin'ny ôlo zare satria tena navôzo maré.9[ Fanamarihana: Ny fandikana talôha tsara indrindra de manala ny Marka: 16: 9-20] Vô maraigna tamin' ny andro voalohan' ny herinandro, tafaran' ny nitsanganany, de niseho tamin' i Maria Magdalena aloha Izy, ilay nandroahany demonia fito, 10De dila Maria kè nikoràgna ny vaovao tamin' njare niraidia tamin' i Jesosy, raha mbôla nisaona ndraiky nitomany zare.11 Regnin' njare fa velogna Izy kè nahita Anazy izy saingy tsy nino izire.12[Ny fandikana talôha tsara indrindra de manala ny Marka 16: 9-20] Tafaran'ireo raha ireo Jesosy de niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roe tamin'njare, raha nandehandeha ho agny an-tanàgna zare13 De dila zare kè novôlagna tamin'jare mpianatra sisa, saingy tsy nino zare.14[ Fanamarihana: ny fandikana talôha tsara indrindra de manala ny Marka 16:9-20 ] Taoriana hely de niseho tamin'ny araiky amin'ny folo lahy Jesosy raha mbola take ampihinanagna zare, kè nivôlagna maré anjre Izy nohon' ny tsy finoagna ndraiky hamafin' ny fon' zare, satria tsy nino ire izay nahita Anazy taoria'ny nitsanganan'ny tamin' ny maty zare.15 Kè ahozy Izy tamin-jare fô :" Mandihàna agny amin'izao tontolo izao, kè torio amin'ny ôlo jiaby ny filanzantsara.16 Izay mino ndraiky atao batisa no ho vonjena, kè izay tsy mino kôza de ho helohina.17Fanamarihana: Ny fandikana talôha tsara indrindra de manala ny Marka 16: 9-20 ] Ireto famantaragna ireto de hanaraka zare zègny mino: Amin'ny Anarako no hamoha-njare demonia. hivôlagna amin'ny fivôlagna vaovao zare. 18Handray menarana amin'ny tanana zare ary raha migiàka raha mahafaty njare, de tsy hampagninona Anazy zègny. Hagnano petra-tagnana amin'ny tsy salama zare, de ho salama iregny."19[ Ny fandikana talôha tsara indrindra de manala ny Marka 16: 9-20 ] Kôfa avy nikoragna tamin-jare ny Tompo, de nampiakarina ho any an-danitra Izy ary nidôko eo an-tanana ankavanan' Andriamanitra.20 De dila zare mpianatra nitory ny Bakôra jiaby tegny, ary ny Tompo niara-niasa tamin-jare ary nanamafy ny Bakôra tamin'ny alalan'ny famantaragna izay niraidia tamin'njare.

Luke

Chapter 1

1Maro iré niaizaka nanôratra tantara mikasika iré raha-nitranga zai tanteraka takéto amintsika, 2karaha izégny efa nanoloran-jaré ré ananjy tamintsika, zai efa vavolombelogna nagnatri-maso sy mpanompon'ny teny hatragny ambolôhany. 3Ary aminahy hiany koà de karaha manjary - kôfa nagnadihady tsara ny fandehan'ny raha jiaby hatramin'ny vôlohany- ny hanôratra tatitra karaha ny filaharany ho anô, ry Teofilo mendrika indrindra. 4Izégny de mbô ahaizanô ny marigna mômba iré raha nampianarigna anô.5Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'ny Jodia, de nisy araika tamin'ny mpisorogna antsôvigna hoe Zakaria, avy amin'ny antokon'i Abia. Ny vadiny de avy amin'ny Zanak'i Arona viavy, Elizabeta ny agnarany. 6Samy marigna tagnatrehan'Andriamanitra zaré ré, ary nagneky iré didy jiaby sy iré fitsipikin'ny Tompo. 7Fô tsy nanan-janaka kanefa zaré ré, satria mômba Elizabeta, ary samy efa tegna antitra ihany koa izy aroa tamin'izegny fotoagna izegny.8Ary zegny de makasika an'i Zakaria te ny fagnatrehan'Andriamanitra, nagnatantairaka iré asan'ny fisorognana araka ny fifandimbiasagna isan-tôkony. 9Araka ny fômba fatôn-jaré ré ny amin'ny fisafidianagna mpisorogna zai tôkony hanompo, de voafidin'ny kodia hely hiditra hagnoro ny hemboka magnitra akô an-tempolin'ny Tompo izy. 10Tamin'ny laira nandoragna ny hemboka magnitra de nivavaka tagny ivelany fôkon'ôlo jiaby.11Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminanjy ké nitsangagna tankavanagna také amin'ny alitara nisy hemboka magnitra. 12Kôfa nahita ananjy i Zakaria, de raiki-tahotra ary tegna feno tahotra izy. 13Fô ahozy ny anjely taminanjy: "Aza matahotra ry Zakaria, efa regniko ny vavakanô. Ho bikibo zaza lalahy aminô Elizabeta vadinô. Jaona no hatônaré agnarany.14Hanam-pifaliagna sy haravoagna anô, ary maro koà no ho faly amin'ny faterahany. 15Satrià ho maventy izy amason'ny Tompo. Tsy hisotro divay na ra fisotro mahery mihitsy izy, ary ho feno Fagnahy Masigna laitry avan-kibon'ny mamany izy.16Maro amin'ny fôkon'ôlon'Israely hitodika amin'ny Tompo Andriamanitran-jaré. 17Handeha alôhan'ny tavan'ny Tompo amin'ny fagnahy sy ny herin'Elia izy. Zegny no atôny de ny mbô hitodian'ny fôn'ny baba amin'ny zanaka, mbô handiananjaré zay tsy magneky amin'ny lalan'ny fahindriagnan'ny marigna mbô hagnomanagna fôkon'ôlo efa vognona ho an'ny Tompo nomanigna ho ananjy."18Ary Zakaria novôlagna tamin'lay anjely hoe: "Akory ny hahaizako zegny? Fô za efa antin-dahy ary ny vadiko efa antitra." 19Ary aozy ny anjely namaly sy nivôlagna taminanjy: "Za no Gabriela, ilay mitsangana eo agnatrehan'Andriamanitra. Ary nasaigna za mbô hivôlagna aminô, hitôndra itô vôvô tsara zao aminô. 20Koa indro! Ho moà anô, kay tsy ahaifa hivôlagna, mandra-patongavan'ny andro hisehoan'iré raha iré. Satria tsy nino raha nivolagniko anô, zai tantairaka amin'ny fotoagna voafaritra."21Ary ny fokon'ôlo sasany nandigny an'i Zakaria. Variagna nohon'ny fidokahany elabe takô an-tempoly zaré ré. 22Fô kôfa niboaka izy, de tsy afaka nikoragna taminjaré ré. Ary fantan-jaré fô nahita fahitagna izy takô an-tempoly. Nagnano béko moà tamin'iré izy ké nijanogna ho moà. 23Ary kôfa tônga ny andro ahataperan'ny fanompoagnany, de lasagna tagny an-dragno izy.24Tafaran'ire andro ire, de bikibo Elizabeta ary nivony nandritra ny dimy volagna. Aozy hoe: 25"Zô no naton'ny Tompo anahy kôfa nizaha anahy Izy mbô hagnala ny haignatranay amason'ologna."26Tamin'ny faenim-bôlagna, de nirain'Andriamanitra ny anjely Gabriela nandaiha tagny amin'ny tanàgna raika tao Galilia antsôvigna hoe Nazareta, 27ho agny amina virijiny raika zay fôfom-badina lalahy antsôvigna hoe Josefa. Agnisan'ny taranak'i Davida izy, ary ny agnaran'ilay virijiny de Maria. 28Nandaiha tô izy ary nivôlagna hoe: "Arabaigna, ry lay nasoavigna indrindra! Ny Tompo ho akô aminô". 29Fô taigna very hevitra tamin'ny koragna izy nagnontany tegna hoe karazagna fiarabagna karaha ino zégny .30Nivôlagna anjely taminy: "Aza mataotra ,ry Maria, fô aifa nahita sitraka tamin'Andriamanitra anô. 31Indro, ho bikibo anô kay hitairaka zazalalahy. Ary agnarany antsôvinô hoe 'Jesosy'. 32Ho mahaventy Izy ké antsôvigna hoe Zanaky ny Avo indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hagnamia Ananjy ny sezy fiandrianan'i Davida razambeny. 33Ary hanjaka mandrakizay amin'ny taranak'i Jakoba izy, ary tsy hanampatapairagna ny fanjakany."34Hoy Maria tamin'ilay anjely: "Magnakôry atongavan'izegny, fô mbôla tsy niara-nandry tamin-dalahy za?" 35Ny anjely namaly ananjy hoe: "Hilatsaka aminô ny Fagnahy Masigia, ary ny herin'ny Avo Indrindra no ho avy aminô. Kay lay masigna ho tairaka de antsôvigna hoe Zanak'Andriamanitra.36Indro, Elizabeta havanô de bikibo zazalalahy koà na de aifa antitra aza. Aifa fa enimbôlagna ny kibony zao, izy lay nantsôvigna hoe momba. 37Satrià tsisy raha tsy azo tantiraignia amin'Andriamanitra ." 38Hoy Maria: "Indro, zaho no mpanompovavin'ny Tompo. Ôka ho tantairaka aminahy zegny araka ny afatrao." Ary niala taminanjy ny anjely39Ary tamin-jagny andro zegny i Maria de niala kay nandaiha nalaky akagny amin'ny tany avo, agny amin'ny tanagnan'i Jodia. 40Nandaikagny amin'ny tragnon'i Zakaria izy ary niarahaba an'i Elizabeta. 41Izikôfa naharegny ny fiaraban'i Maria i Elizabeta, de ravoravo ny zaza tan-kibony, ary feno ny Fagnahy Masigna.42Nivôlagna mafy izy hoe: "Nasoavigna noho ny viavy jiaby za, ary nasoavigna ny natairaky ny kibonô. 43Nagnakôry zegny no mitranga aminahy fô lay maman'ny Tompoko no tônga hagnatogna za? 44Fô indro kôfa tônga tantadigniky ny fiarabagnanô de faly be ny zaza ankiboko. 45Sambatra izy zay nino fô ho tantairaka ire raha zay nivolagnin'ny Tompo taminy."46Aozy i Maria: "Midaira ny Tompo ny fagnahiko, 47ary ny fagnahiko nifaly tamin'Andriamanitra mpamonjy anahy.48Fa nizaha ny fahantragnan'ny mpagnampiny viavy Izy. Ary indro, manomboka zô ny taranaka jiaby hagnantso anahy hoe sambatra. 49Satria nagnano raha maventy taminahy lay mahaifa ny raha jiaby, ary masigna ny agnarany.50Fô maharitra ho an'ny taranaka faramandimby zay matahotra ananjy ny famidram-pony. 51Nitoroany ny heriny tamin'ny sandriny izy; ary napariakany re zai niraiharaiha tamin'ny eritreritry ny fon-jare.52Naongany tamin'ny seza fiandrianany ny zanakalahin'ny mpanjaka. Ary lay ambany nampakariny. 53Nataony voky raha tsara ire tihinagna, fô ny manan-draha natony tsy managna namba hely.54Nagnamia fagnapiagna an'Israely mpanompony Izy, mbô hatsiarôvany haneho famindram-po 55(araka ny nilazainy tamin'ny razantsika re) tamin'i Abrahama sy ny taranakananjy mandrakizay."56Nidôko nipètraka taka amin'i Elizabeta tôkony ho telo volagna i Maria ary avake niherigna nôdy tan dragnony. 57Ary tônga ny fotoagna hitirahan'i Elizabeta ny zanany ary niteraka zaza lalahy izy. 58Naregny famindram-po maventy natôn'ny Tompo tamin'ny mpiara-monigna ré sy ny havany ré, ary niara nifety taminjare zare.59Ary tamin'ny andro fahavalo de tônga hamositra zaza zare. Saiky antsôvigna zare hoe "Zakaria," karaha ny agnaran'i babany izy. 60Fô ny mamany ndraiky namaly ary nivolagna hoe: "Ahey. Jaona no agnantsôvagna ananjy." 61Ary aozy zare taminanjy: "Tsisy amin'ny havanô antsôvigna amin'agnaragna karahan-jany."62Nagnano beko moà tamin'i babany zare amin'ny raha tiagna hatao hagnarany. 63Nangaho solaitra fanoratagna ny babany ary hanôratra hoe: "Jaona no agnarany." Ary magnana tamin-jaigny zare jiaby.64Ary niaraka tamin-jai de nisôkatra ny vavany ary nafahagna ny lailany. Nivôlagna izy ary nidaira an'Andriamanitra. 65Tônga tamin-jare jiaby nagnodidigna te ny tahotra. Ary nisahely airan'ny tanàgnan'i Jodia ny raha jiaby niseho te. 66Ary zare jiaby naregny ndrai nandatsaka tam pony, ary nivolagna hoe: "Ho lasagna ino marô tô zaza tô?" Fô momba ananjy ny tagnàn'ny Tompo.67Ary feno Fagnahy Masigna i Zakaria babany ary naminagny, kai nivolagna hoe: 68"Deraigna anie ny Tompo, Andriamanitr'Isiraely, fô tônga nagnampy sy nagnatantairaka ny fagnafahagna ho an'ny vahoakany Izy.69Nakarigna ambôny ny tandrom-pagnavôtagna tan-dragnon'i Davida mpanompony Izy, 70karaha zai nikoragniny tamin'ny vavan'ire mpaminagny masigna tamin'ny andro talôha tagny. 71Hitôndra famonjiagna amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tagnan'ire mankahalantsika jiaby ire Izy.72Zaigny no hatôny de mbô hampisehoany ny famindram-po amin'ire babantsika sy ampatsarôvagna ny fanekem-pihavanagnany Masigna, 73de lay fiainagna nivolagnin'i Abrahama babantsika. 74Nifanta ny hazaontsika, kôfa hafaka tan-tagnàn'ny fahavalontsika, manompo Ananjy tsy amin-tahotra, 75am-pasahiagna sy am-pamarinagna agnatrehany amin'ny androntsika jiaby.76Ia, ary anô, ry zaza, de hantsôvigna hoe mpaminanin'ny avo indrindra, fô handaiha hialôha ny tavan'ny Tompo anô ary hagnaboatra ny lalany, 77mbô hanomagnan'ny ôlo ny amin'ny fiaviany, mbô hagnomia fahalalam-pamonjiagna ho an'ny ôlony amin'ny alalan'ny famelagna ny helon- jareo.78Izégny no hiseho de noho ny famindram-po masign'ny Andriamanintsika, nohon'ny aminjagny no hiposahan'ny masoandro avy amin'ny avo mbô ho avy hagnampy antsika, 79hagnazava an'ire zai mipaitraka agnaty ny haizigna sy ire agnatin'ny aloky ny fafataisagna. Hataony zegny mbô hitarihagna ny hongontsika amin'ny lalam-piadanagna."80Ary ny zaza de nitômbo kai nanjary nahery amin'ny fagnahy, ary tagny agnefitra izy mandra-pahatonga ny andro hisehoany ampahibe maso amin'Israely.

Chapter 2

1Ary tamin'ny andro zagny, nandaifa didy mibéko ny hagnisagna ny ôlogna jiaby miaigny eto amin'izao tontolo izao Aogosto Kaisara. 2Zagny no fagnisam- bahoaka natô volôhany tamin'i Kyrenio no mpanapaka takagny Syria. 3Noho zagny ny ôlo jiaby de nandaiha tagny amin'ny tanàgna niaviany aby mbô hisôratra agnaragna amin'ny fagnisam-bahoaka.4De nandeha niakatra avy tagny Galilia kôa Josefa, avy tagny an-tanàgnan'i Davida zai antsôvigna hoe Betlehema, satria izy avy amin'ny tragno sy fianakavian'i Davida. 5Nadaiha tagny izy mbô hisôratra agnaragna tamin'i Maria, zai fôfom-badiny ary bikibo.6Ary kô mbôla tagny zare, de tônga ny fotoagna hitirahany ny zanany. 7Nitairaka zaza lalahy izy, zanany vôlôhany, ary Izy nandrakotra lamban-jaza Ananjy sy nampandry ananjy te ampinanam-bilogna, satria tsisy toeragna ho anjareo ta lôtely.8Nisy mpiambigna ondry amin-jegny farira zegny zay nijanogna tagny agnatiala, niambigna ny andian'ondry tandroaligna. 9Nisy anjelin'ny tompo niseho tamin-jare, ary ny voninahitra ny Tompo namirapiratra magnodidigna ananjy, ary feno tahotra be zare.10De nivôlagna tamin-jare ny anjely nagnano hoe: "Aza matahotra, fô hitôndra vôvô tsara zai hitôndra hafaliagna maventibe ho an'ny ôlogna jiaby zaho. 11Igniany de mpagnavotra izay tairaka ho anaré agny an- tanàgnan'i Davida! 12Izy no Kristy Tompo! Zô no famantaragna zay hamiagna anaré: Hahita zaza hely mirakotra lamban-jaza ary mandry ampinanam-bilogna anaré."13Tampoka te niaraka tamin'ilay anjely, de nisy tafiky ny lanitra maventy nidaira an'Andriamanitra nagnano hoe: 14"Voninahitra agny amin'ny avo indrindra, ary fiadanagna anie akéto an-tany eo amin'ôlogna zay ankasitrahany."15Ary kôfa niala také aminjare nandeha an dagnitra ré anjely ré, nyy mpiandry ondry nifampivôlagna hoe: "Andô antsika zô andaiha agny Betlehema, ary hizaha raha mitranga akagny, zay nampafantarin'ny Tompo antsika zégny." 16Nandaiha nalady tagny zare ary nahita an'i Maria sy Josefa, ary nahita ny zaza hely nandry tam-pinanambilogna te.17Tafaran'ny nahitan-jare Ananjy, de nampafantarign'zare ny raha jiaby nivolagnina taminjare mikasika an'io zaza io. 18Izay jiaby naharegny izégny de hariàgna ny amin'ny nivolagnin'ny mpiandry ondry taminjaré ré. 19Fô Maria ndraiky nanohy nieritreritra mômba ny raha jiaby regny, ary nikajy zégny tam-pôny. 20Niherigna ire mpiandry ondry, nagnamia voninahitra sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny raha jiaby zai regninarè, karaha zai nivolagnina taminjare.21Kôfa tapitra ny andro fahavalo, kai niforaigna Izy, de namiagna agnaragna hoe Jesosy, lai agnaragna namian'ny anjely Ananjy talôhan'ny namitrahagna ananjy tan-kibo.22Ary kôfa dila ny isan'ny andro nitakigna hidiôvany, araka ny lalàgnan'i Mosesy, de nitôndra Ananjy niakatra ho an-tempoly tô Jerosalema i Maria sy Josefa mbô hanolotra ananjy eo amin'ny Tompo. 23Araka zay voasôratra aka amin'ny lalàgna ny Tompo hoe: " Ny lahy jiaby izay volôn-tairaka de hatôkagna ho an'ny Tompo." 24Noho zaigny de nanolotra sorogna araka zay nivolagnina amin'ny lalàgnan'ny Tompo izy re," domoina na zana-bôromailala roa."25Ary indro, nisy lalahy tagny Jerosalema, Simona no agnarany, ary zegny de marigna sy mafana fô. Nitady ny fampiononagna an'Israely izy, ary taminanjy ny Fagnahy Masigna. 26Nivolagnin'ny Fagnahy Masigna taminanjy fô tsy hifoaty izy halôan'ny ahitany ny Kristin'ny Tompo izy.27Nidôsin'ny Fagnahy nandaiha an-tempoly Simona. Kôfa nitôndra an'i Jesosy zazahely nitsôfotra ny ray aman-dreniny, mbô agnano Ananjy araka ny fomba akô amin'ny lalàgna, 28de nalainy tan-tagnany Izy sady nidera an'Andriamanitra ary nagnano hoe: 29"Avaizo avilay za handaiha am-piadanagna ny mpanomponô, ry Tompo, araka ny teninô avaizo.30Fa ny masoko nahita ny famonjiagnanao, 31zay nomagninao tamin'ny fagnatraihan'ôlo jiaby: 32De fazavagna ho fanambaragna ho an'ny Jentilisa ary voninahitra ho an'Israely ôlognanao."33Ny baba sy maman'ilay zaza de gaga tamin-draha nivolagniny mikasika Ananjy. 34Nitso-drano anjare Simona ary nivôlagna tamin'i Maria mamany hoe: "Indro, itô zaza itô de vôtendry ho amin'ny fagnifagna sy fandratagna ny ôlon'Israely maro ary ho famantaragna zay nolavigna- 35ary hisy lefogna handavaka ny fagnahinao - ke ho voambara ny hevitry ny fo maro."36Nisy mpaminany viavy raika antsôvigna hoe Ana te. Zanakaviavin'i Fanoela avy amin'ny foko Asera izy. Taigna antitra izy. Nipaitraka niaraka tamin'ny vadiny fito tôgna tavafaran'ny naverijiny ananjy izy, 37ary nitôndrategna tagnatin'ny aifatra amby valopôlo tôgna.Tsy nagnadigno ny tempoly mihitsy izy fô nanompo tamin'ny fifadian-kanigna sy vavaka, andro aman'aligna. 38Tamin'izegny laira zegny izy ary nanomboka nagnamia fisoragna an'Andriamanitra sy nivolagna ny momban'ilay zaza tamin'olo jiaby zay nandigny ny fagnavotagna an'i Jerosalema.39Kôfa nahita ny raha jiaby nasaigna natôny araka ny lalàn'ny Tompo zare, de niherigna tagny Galilia, agny amin'ny tanàgnan-jare agny Nazareta. 40Naventy ny zaza ary natanjaka, nitômbo fahindriagna, Ary ny fasoavan'Andriamanitra de taminanjy zégny.41Ny Ray aman-dreniny de nakagny Jerosalema isan-tôgna hamonjy ny firavoravoan'ny paska. 42Kôfa roa ambin'ny fôlo tôgno Izy ,de nandeha tagny zare karaha raha fanon-jare zare. 43Ary kôfa nipetreka tagny nandritry ny andron'ny fety manontolo zare, de nanomboka niherigna nôdy zare. Fa Jesosy zaza lahy nidôko tagny Jerosalema naifa tsy fantan- dray aman-dreniny zaigny. 44Natônjare fô dia raiky tamin'ôlogna niara-dia tamin-jare Izy, de nandaiha nandritra ny andro raiky zare. Ary avy te de nanomboka nizaha Ananjy tamindry havany sy kamaradiny zare.45Kôfa tsy hitanjare Izy, de niherigna tagny Jerosalema Zareo kai nanômboka nizaha Ananjy tagny. 46Kôfa afaka telo andro, de hitanjare tan- tempoly Izy, nipètraka tagnivon'ire mpampianatra, nitandregny anjaré sy namétraka fagnotaniagna taminjare. 47Izay jiaby naharegny ananjy de magnana tamin'ny fahalalagnany sy ire valinteny ananjy.48Kôfa nahita Ananjy zare de variagna. Ny mamany nivôlagna taminanjy hoe: "Zanako magnino anao magnany aminay karaha zegny? Tandrigneso, za sy babanô nizaha anô tamin-tebiteby." 49Izy nivolagna taminjare hoe: "Nagnigno anaré no mizaha anahy? Tsy fantanare mô fô tsy maintsy an-dragnon'ny babako Za?" 50Fô tsy azon-jare ny raha tiany koragnina tamin-jany.51Dia nôdy niaraka tamin-jare takagny Nazareta Izy sady nagneky anin-jareo. Ny mamany de nikajy raha jiaby zagny tam-ponanjy tô. 52Fô i Jesosy nahai- nitômbo fahedriagna sy nitômbo tegna, ary nitombo fitia tamin'Andriamanitra sy ny ôlogna.

Chapter 3

1Tamin'ny tôgno faha dimy ambin'ny fôlo nanjakan'i Tiberie Kaisara- fony Pontio Pilato no governoran'i Jodia, Heroda de mpanjaka tao Galilia, Filipo ralahiny de nanapaka takô amin'ny faritra Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania de mpanapak'i Abilena, 2nandritry ny fisoranam-ben'i Aniasy sy Kaiafa- de tônga tamin'i Jaona zanaka lalahin'i Zakaria tagn'efitra ny tenin'Andriamanitra.3Nandaiha tagny amin'iré faritra jiaby magnodidigna ny Jordana Izy, nitory ny batisan'ny fibebahagna ho famelagna ire heloka.4Araka ny voasôratra agnatin'i bokin'Isaia mpaminagny hoe: "Nisy feo raiky nagnantso mafy avy agny agnefitra hoe: "Atôvo vognona ny lalan'ny Tompo, atôvo mahitsy ny lalan-kalaihany.5Ny lôhasaha jiaby ho totôfagna, ary ny tanety sy ny havoagna ahegna, ary ny lala-miôlaka de amboarigna ahitsy, ary ny toairagna misy lavadavaka de hatô lalagna, 6ary ny nôfo jiaby de ahita ny famonjiagnan' Andriamanitra."7Kai nivôlagna tamin'ire vahoaka zai tônga hatô batisa i Jaona hoe: "Anaré ry taranaka ny mainaragna! Izovy nampitandrigna anaré mbô hilaifa ny havigniragna zay ho avy?8Noho zaigny, mamokatra voa manjary fibaibahagna, ary aza manomboka mivolagna agnatinare hoe: "Zaihay managna an'i Abrahama ho babanay," fô mivôlagna anaré za fô Andriamanitra de afaka manangagna zanaka avy amin'iré vato ré.9Avahizo aza ny famaky de mipaitraka amin'ny fôto- kakazo. Kay ny kakazo jiaby zay tsy mamoa voa tsara de firaigna ary hatsipy agnaty afo."10Ary ire vahoaka de nagnontany ananjy tamin'ny raha nikoragniny hoe: "Ino ariky raha atônay?" 11Namaly Izy kay nivolagna taminjare hoe: "Izy kô misy ôlogna managna rôby lava roa, tôkony mizara zaigny amin'ôlogna raiky zay tsisy izy, ary zay misy raha hoanigna de tôkony hagnano karahan-jaigny koa."12Ire mpamory hetra kôa de mbô tônga mbô hatô batisa, ary nivolagna taminanjy hoe: "Mpampianatra o, ino no tsy maintsy hatônay?" 13Izy nivôlagna hoe: "Aza magnokom-bola mihoatran'izay nasaigna halainare."14Miaramila maromaro koa nagnotany ananjy, nivôlagna hoe: "Karakory monba anay? Ino raha tsy maintsy hatônay?" Izy nivôlagna tamin-jare fô: "Aza mangala-bôla amin'ôlogna an-keriny, ary aza miampanga lainga ôlogna. Mifalia amin'ny karamanare."15Ary kôfa taigna nandigny ny fahatongavan'i Kristy ny vahoaka, de nagnontany tam-pony mikasika an'i Jaona ny tsiraikiraiky, na mety izy na tsy izy no Kristy. 16Jaona namaly tamin'ny fivolagnana ananjy jiaby hoe: "Kô aminahy, de magnano anaré batisa amin'ny rano za, fô misy ôlogna raiky zay mahery mihoatra anahy, ary na za tsy mendrika hagnala tadin-kapananjy. Izy hagnano batisa anaré amin'ny Fagnahy Masigna sy ny afo.17Aké an-tagnany ny fikororohany mbô hagnadiôvana tsara ny ao am-pamoloany sy agnokonagna ny vary sy sompiny. Fô idorany amin'ny afo tsy mety vonigna ny angafony."18Niaraka tamin'ny fagnanaragna maro koa Jaona nitory vôvô tsara ho an'ny vahoaka. 19Heroda mpanjaka kôfa nanarigna nony fanambadiagna ny vadin-dralahiny Herodiasy, sy nony raha ratsy hafa jiaby zay vitany, 20de ho fagnampin'izagny jiaby zagny, de nahidiny tangadra Jaona.21Ary, kôfa vita batisa daholo ny ologna jiaby, de natao batisa kôa Jesosy, ary raha mbola nivavaka Izy, de nisôkatra ny lagnitra, 22ary ny Fagnahy Masigna nalaka endrika ka nandrorogna taminanjy karaha ny voromailala, ary nisy feo avy agny an-dagnitra nagnano hoe: "Anao no Zanako, tiako. Faly zaho nohon'ny aminao."23Kôfa nanômboka ny asa fanompoagnany Jesosy, de te amin'ny telopolo tôgna te Izy. Izy no zanaka lalahin'i Josefa (araky ny fihaivairagna), zanak'i Hely, 24zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Josefa.25Josefa de zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Elsy, zanak'i Nagay, zanak'i Mata, 26zanak'i Matatia, zanak'i Semey , zanak'i Joseka, zanak'i Joda.27Joda de zanak'i Joanana, zanak'i Rase, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery, 28zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era, 29zanak'i Josoa, zanak'i Eliezara, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy.30Levy de zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima, zanak'i Melea, 31zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida,32zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona.33Nahasona de zanak'i Aminadaba, zanak'i Adimina, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fareza, zanak'i Joda, 34zanak'i Jakoba, zanak'i Isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora, 35zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela.36Sela de zanak'i Kenana, zanak'i Arparksada, zanak'i Sema zanak'i Noa, zanak'i 37Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana, 38zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.

Chapter 4

1Tafaran'izégny Jesosy, réhéfa feno ny Fagnahy Masigna, de niherigna avy tagny amin'ny reniranon'i Jordana, ké nandesin'ny Fagnahy Masigna tagny agn'efitra 2zay nangalan'ny devoly fagnahy Azy nandritry ny éfapôlo andro. Tsy nihinagna na ino na ino izy nandritry iré andro iré, ké tamin'ny fotoàgnà farany de vôsolôgna izy.3Ny devoly nivôlagna taminanjy hoe: "Kô zanak'Andriamanitra Anô, de hivoà môfo io vato io.'' 4Namaly ananjy Jesosy hoe: ''Tsy môfo foagna hivilôman'ôlo.'''5Avake nindôsiny devoly tamin'ny toeragna ambony Jesosy ary natorony Ananjy dohôlo ny fanjakana jiaby tambôn'ny tany. 6Ny devoly nivôlagna taminanjy hoe: "Hamiako anô ny fahifagna jiaby sy ny famifapiratany satrià aifa namiagna za ire, ary amiako ny ôlo zay tiàko amiagnananjy. 7Noho izegny, ra miakôhitra sy manompo za Anô, de azonô zegny."8Kanaifa Jesosy namaly kay nivôlagna ananjy hoe: "Voasôratra fa hoe: 'Hidaira ny Tompo Andriamanitranô anô, ary Izy raika ihany no hitompoinô.'''9Avake nitôndra ananjy tagny Jerosalema ny devoly ary natôny tagny antilintilin'ny tempoly Jesosy ary nivôlagna taminanjy hoe: "Ra zanak'Andriamanitra Anô, de milatsaha avatoè. 10Satrià aifa voasôratra hoe: 'Hibeko ny anjeliny ny aminô Izy, mbô hiaro anô,' 11ary, Izy ire nanandratra anô amin'ny tagnany, mbô tsy ho voatsitohigna amin'ny vato ny tongonô.'"12Namaly ananjy, Jesosy kay nivôlagna hoe: "Aifa nambara hoe: 'Aza malaka fagnahy ny Tompo Andriamanitranô.''' 13Kôfa vita ny fangalany fagnahy an'iJesosy, de lasagna izy ary niala Ananjy mandrapatongavan'ny fotoagna hafa.14Avake Jesosy niherigna tagny Galilia tamin'ny herin'ny Fagnahy, ary ny vôvô momba Ananjy de aifa niparaitaka tamin-tany jiaby. 15De nanômboka nampianatra takô amin'ny Synagogan-jare Izy ary niirain'ôlo jiaby Izy.16Nandaiha tagny Nazareta Izy, lay tanàgna nankavety ananjy, ary araka ny fomba fatôny, de nitsôfotra takô amin'ny Synagoga tamin'ny andro Sabata Izy kay nitsangagna mbô hamaky teny mafy. 17Natôlotra ananjy ny hôron-taratasin'Isaia mpaminany. Nisokafiny ilay boky ary hitany ny toeragna nanoratagna ananjy,18"Ny Fagnahin'ny Tompo de akato aminahy, satrià Izy nagnôsotra za hivôlagna ny vôvô mafaly ho an'ny mahantra. Izy no hagnondaifa za hagnambara fagnafahagna ho an'ire babo, ary hamerigna ny fahifagna ho an'ny Jamba, hagnafaka ire zay ampijaligna, 19hagnambara ny tôm-pankasitrahan'Andriamanitra.''20Avake de nahôriny ny taratasy, naheriny tagny amin'ny mpitadrigna, ary nipaitraka Izy. Nizaha Ananjy mason'ôlogna jiaby takô amin'ny Synagoga. 21Nanomboka niraisaka taminjare Izy hoe: ''Igniany itô Sôratra Masigna itô de tantairaka aketo.'' 22Ny jiaby de nivôlagna tsara ny momba Ananjy ary gaga tamin'ny tenim-pasoavagna zay navoakany vavany zare, ary nagnontany zare hoe: "Fô tsy ilay zanak'i Josefa ve itô?''23Izy nivôlagna taminjare hoe: "Azo antoka fô hivôlagna itô hôbôlagna itô aminahy anaré hoe: 'Dokotaira, tahà ny taignanô. Na ino na ino regninay fô natônô takô Kapernaomy, de magnanôva karanjagny agny amin'ny taninô.''' 24Naifa nivôlagna Izy hoe: ''Volagniko marigna aminare, tsisy mpaminagny masigna amin'ny taniny.25Kanaifa volagniky marigna aminare fô maro ny viavy mitôvo tagny Israely tamin'ny andron'i Elia, ra nihidy ny lagnitra tagnatin'ny telo tôgna sy enimbôlagna, ary nisy silôgna be tônga tamin'ny tany jiaby. 26Naifa Elia tsy nalaifa na tamin'ny raika taminjare aza, fô takô Zerapata any Sidona ihany, tagny amin'ny ilay mpitondra tena izay nipaitraka tagny. 27Fô maro ire boka takô amin'Israely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, naifa tsy nisy na de raika taminjare aza sitragna afa-tsy Namàna lay Syriana.''28Ny ôlo jiaby tagnaty Synagoga de vignitra mafy kôfa naregny raha jiaby ire. 29Nitsangagna zare, nahery Ananjy hiala ny tanàgna, ary hagnondaifa Ananjy tan-tampon'ny havoagna zay nipitrahan'ny tanàgnan-jare, mbô hanjeragna Ananjy amin'ny hantsagna. 30Naifa nandaiha namakivaky tantaignantaignan-jare Izy de lasa nandaiha tagny amin'ny toeran-kafa.31Avake Izy de nirôrogna tagny Kapernaomy, tanàgna raika agny Galilia, ary nanomboka nampianatra azy ire tamin'ny Sabata Izy. 32Izy ire de gaga be tamin'ny fampianaragna natôny, satrià nivôlagna tamin'ny fahifagna Izy.33Ary takô amin'ny Synagoga de nisy lalahy zay nisy devoly, ary izy de niafatrafatra mafy hoe: 34"Ah! Ino hifandraisanay aminô, ry Jesosy avy agny Nazareta?Tônga mbô hamotika zaihay ve Anô? Fantako hoe izôvy Anô- ilay Iraika Masin'Andriamanitra!'''35Jesosy nivôlagna mafy ilay demony, ké nagnano hoe: "Aza mivôlagna ary mialà aminanjy!'' Kôfa nanipy lay lalahy ho lavo také agnivonjaré ré ny demony, de niala takô aminanjy, ary tsy nandratra ananjy aby. 36De gaga dahôlo ny ôlogna jiaby, ary nanony koragna momba izegny. Nivôlagna zare hoe: "Fô teny karakôry zegny?'' Bekony amin'ny fahifagna sy hery ny devoly de mivoàka.'' 37Noho zegny de nanomboka niparaitaka nagnairan'ny faritra magnodidigna ny lazany.38De niala ny synagoga Jesosy ary nitsôfotra tandragnon'i Simona. Ary nampijalin'ny tazogna mahery ny rafôzany vavy, ary niangavy taminy ho azy izy ire. 39Kay nitsangagna talôha Izy ary nivôlagna mafy ny tazogna, de niala taminy zegny. De nahivagna tampoka izy de nitsangagna ary nanomboka nanompo azy ire.40Kôfa nilentika ny masoandro, de nitôndra ny ôlo- jiaby nararin'ny aretigna maro samihafa tamin'i Jesosy ny ôlo. Kay namaitra-tagnana tamin'ny tsiraikiraikia avy aminjare Izy kay nagnasitragna azy ire. 41Ire devoly ihany koà de niala takô amin'ny maro tamin'izy ire , niafatrafatra mafy sy nivôlagna hoe: ''Anô no zanak'Andriamanitra!''Jesosy nivôlagna mafy ire devoly kay tsy namaila zare hivôlagna, satrià hain-jare fô Izy no Kristy.42Mandraindray Izy de nandaiha tagny amin'ny toeragna mangingigna. Ôlo maro be nizaha Ananjy ary nandaiha amin'ny toeragna nisy Ananjy. Izy ire de nihaizaka ny nitagna Ananjy mbô tsy hiala aminjare. 43Fô Izy nivôlagna taminjare hoe: "Tsy maintsy mitory ny vôvô mafaly momba ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanàgna maro hafa ihany koà za, satrià zegny no antony nagnirahagna za . 44Avake Izy de nanony nitory takô amin'ire Synagoga magnairagna an'i Jodia.

Chapter 5

1Ary zô ny raha nitranga, kôfa nivorivory nagnodidign'i Jesosy zare nitandregny ny tenin'Andriamanitra, de nitsangagna tamôrony farihin'i Genesareta Izy. 2Nahita Sambokely roa nidôko nariny farihy Izy. Efa nivoaka tao ire mpanjono ary nanasa ire aratony. 3Niditra tamin'ny raika amin-jare antsambokely Jesosy, zay an'i Simona, ary nangaho ananjy mbô agnondaifa zaigny amin'ny rano lavidavitra tanety. Avy te nipaitraka Izy kay nampianatra ny ôlogna tivailan'ny sambokely.4Kôfa nidôko nivôlagna Izy, de nivôlagna tamin'i Simona Izy hoe: "Indôso amin'ny rano lalindaligna ny sambokely de halatsao ny haratonare mbô hazahoanare lôka." 5Simona namaly kay nivôlagna hoe: "Tompo o, aifa niasa bôriky kiaka zaihay, fô tsisy raha hazo, fô noho Anô mivôlagna, de haheriky alatsaka ndreky ny harato." 6Kôfa natôn-jare zaigny de nahazo lôka maro bé zare, ary triaka aby ny haraton-jare. 7Kay nagnano fihetsika tamin'ny naman-jare tagnaty sambokely hafa raiky zare fô zare mbô tôkony ho avy agnampy zare. De avy zare kay nagnomia sambokely roa, kay nanomboka nilentika zare.8Fa Simona Petera, raha vô nahita zaigny, de niakohotra tan-tongon'i Jesosy, nivôlagna hoe: "Mialà aminahy fô lalahy mpanota za." 9Fô gaga izy, sy zare jiaby niaraka taminanjy, nohon'ny abitsahan'ny lôko aozin-jaré. 10Tagnatin'izaigny i Jakoba zanak'i Zebedio, zay mpiara-miasa amin'i Simona. Jesosy nivôlagna tamin'i Simona hoe: "Aza matahotra, fô manomboka zô de hagnarato ôlogna anô." 11Kôfa nentinjare tan-tanety ny sombokelin-jare, de navailan-jare raha jiaby fô nagnaraka Ananjy zare.12De zô raha nisy taminjare mbola tan-tanàgna raiky, nisy lalahy feno habokagna také. Kôfa nahita an'i Jesosy Izy, de niakohotra taminanjy te sady nikorery nagnano hoe: "Tompo o, kô mety aminao, mbô hidiôvo zaho." 13Ary de nahinjin'i Jesosy ny tagnany kay nikasika ananjy, nivôlagna hoe: "Mety aminahy. Madiôva." Samiarak'igny hafaka ny habokagna.14Tsy nikegna Izy mbô hilaza na amin-jôvy nô izôvy, fô nivolagnina taminanjy hoe: "Tohizo lalagnanao, misehoa amin'ny mpisorogna ary manolôra sôrogna ho fagnadiôvagna anô, arak'izai nandidian'i Mosesy, mbô ho fijoroagna vavolombelogna aminjaré."15Kanaifa ny tatitra momba Ananjy de nisahely lavitra kokoà aza, ary vahoaka maro be no niara-tônga mbô hitandregny Azy nampianatra ary mbô ho sitragna amin'ny aretin-jare zare. 16Kanaifa matetika Izy de niala nankany amin'ny tany foagna ary nivavaka.17Ary tamin'ny andro raiky nampianarany anjaré, de nisy Fariseo sy mpampiana-dalàgna nipaitraka te zay avy tan-tanagna hafa ao amin'ny faritry Galilia sy Jodia, ary avy agny Jerosalema koa. Ny herin'ny Tompo no taminanjy mbô hagnasitranagna.18Ary nisy lalahy sanagny tônga, nitôndra lalahy raiky zay hazon'ny tasiôgna tambôn'ny fandriagna foagna, ary zare de nizaha fômba hitondragna ananjy agnatignatiny akagny mbô hamitrahagna ananjy alôhan'i Jesosy. 19Tsy nahita fômba hampidiragna ananjy agnatignatiny zare nohon'ny hamaroan'ôlogna, kay nakatra ta tafon-tragno zare ary narôron-jare avy ta tafon-tragno io lalahy io miaraka amin'ny fandriagnanjy, tafôvôhan'ôlogna, talôhan'i Jesosy.20Kôfa nahita ny finoagnany zaré, de hoy Jesosy hoe: "Ralelahy, voavela heloka anô." 21Nanomboka nagnontany iry mpanora-dàlagna sy Fariseo ré, kay nivôlagna: "Izôvy no hafaka mamaila fahotagna afa-tsy Andriamanitra raiky foagna?"22Fô fantan'i Jesosy raha nieritreretin-jare, kai nivaliany hoe: "Magnino anaré no magnontany zaigny am-ponare? 23Ino no môramôra volagnina: voavaila ny helokanô sa ny mivôlagna hoe: 'Mitsangana ary Mandihana?' 24Naifa mbô hafantaranare fô ny zanak'ôlogna de manam-pahefagna hamaila heloka akéto ambôny tany, de za mivôlagna aminô mitsangàna, indôso fandriagnanao ary mandihana an- dragnonao."25Te foagna de nitsangana talôhan-jare Izy ary nalaka ny fandriagnanjy zay nandriany. Avy te niala de nadaiha tan-dragnony izy, nagnomia voninahitra an' Andriamanitra. 26Variagna ny ôlo jiaby ary nagnomia voninahitra an'Andriamanitra zare. Feno tahotra zare kay nivôlagna hoe: "Nahita raha maha-magnana antsika nigniany."27Tafaran'ny nitrangan're raha ré, de niala také Jesosy ka nahita mpamory hetra raiky zay antsôvigna hoe Levy nipaitraka tan-dragnon'ny mpamory hetra. Nivôlagna taminanjy Izy hoe: "Magnaraha Anahy." 28De nitsangagna i Levy kai nagnaraka Ananjy, kay nambailany ny raha jiaby.29De nagnano fagnasagna maventibe tan-dragno ananjy i Levy. Baitsaka ire mpamory hetra sy ré ôlogna hafa zay nipaitraka te amin'ny latabatra ary hihinagna hiaraka taminjare. 30Kanaifa ire Fariseo sy mpanora-dalàgna de nitaraigny taminjare mpaminagny, nivôlagna hoe: "Nagnino anô hômagna sy misotro miaraka amin'iré mpamory hetra sy mpanota hafa?" 31Jesosy namaly anjaré hoe: "Tsy mila dôktaira ny ôlogna mahivagna; fô ny marary foagna. 32Tsy tônga hagnantso ny ôlogna marigny hibaibaka za, fô hagnatso mpanota mbô hibaibaka."33De aozin-jare taminanjy hoe: "Ny mpianatr'i Jaona ré mifady hanigna matetika sy mivavaka, ary ny mpianatr'i Fariseo ré magnano zaigny koa. Kanaifa ny mpianatranô de hômagna sy misotro." 34I Jesosy nivôlagna taminjare hoe: "Misy ôlogna mô mampifady hanigna ny havan'ny mpampakatra kô mbôla mipaitra aminjaré aké ny mpampakatra? 35Fô ho avy andro raiky hangalagna ny mpampakatra aminjaré, ary amin' izagny andro zaigny de hifady hanigna zare."36De nagnano fagnoharagna tamin-jare kôa Jesosy. "Tsisy ôlo mandrôta tapa-damba avy amin'ny lamba vôvô ary mampiasa zaigny mbô hagnaboarana lamba kôro. Raha magnano zagny izy, de handratra ilai vôvô, ary ilay tapa-damba avy amin'ilay vovô de tsy hifagnaraka amin'ilay lamba kôro.37Tsisy ôlogna magnatô divaigna vôvô agnatin'ny siny oditra kôro. Kô hagnanon-jaigny izy de ho triaka ny hoditr'ilay divaigna vôvô, ary de raraka ny divaigna, kay haratra ilay siny hoditra. 38Fô divaigny vôvô de tsy maintsy atô agnatin'ny siny hoditra vôvo. 39Fô tsisy ôlo nisotro ny divaigny talôha kay hagniry ny vôvô, fô aozy hoe: 'Ilay talôha no tsara."'

Chapter 6

1Ary tamin'ny Sabata de nandaiha akagny ankôraka Jesosy ary mpianatra ny nalaka tôvary, nikôsoka izegny tamin'ny tagnan-jare ary nihinagna ny vihiny. 2Fô ny sanagny tamin'ire Fariseo kôza nivôlagna hoe: "Nagnino anare no magnano ra tsy ara-dalàgna ny magnano ananjy amin'ny andro Sabata?"3Namaly ananjy, Jesosy kay nivôlagna hoe: "Mbôla tsy nivakinare mô ny natôn'i Davida kôfa tihinagna izy, sy ire lalahy zay niaraka taminanjy? 4Nandaiha tan-dragnon'Andriamanitra izy, ary nalaka môfon'ny fahantairagna sy nihinagna ny ampahany tamin-jaigny, ary namiany ampahany kôa ny lalahy zay niaraka taminanjy mbô hihinagna, na de mpisorogna ihany aza ara-dalàgna kô hômagna zaigny." 5Avake Izy nivôlagna taminjare hoe: "Ny Zanak'Ôlogna de Tômpon'ny Sabata."6Ary tamin'ny Sabata hafa de nandaiha tagny amin'ny Synagoga Izy de nampianatra ny vahoaka take. Nisy lalahy raika maty tagnana hakavanagna tao. 7Nizaha mariny Ananjy tsara zare mpanora-dalàgna sy ré Fariseo mbô ahita kô agnasitragna ôlogna amin'ny Sabata Izy, mbô afahan-jare mahita antony hiapangagna Ananjy. 8Kanaifa fantany ny raha tantsaignan-jare ary nivôlagna tamin'ilay lalahy zay maty tagnana Izy hoe: "Mitsangàna, ary mandihana alohan'ôlo jiaby akéto." Kay nitsangana ilay lalahy ary nitsangana také.9Jesosy nivôlagna tamin-jare hoe: "Magnontany anaré za, ara-dalàgna amin'ny andro Sabata ve ny fagnanôvagna ny tsara sa ny fagnanôvagna ny ratsy, ny magnatr'aigna sa ny mandratra ananjy?" 10Ary nizaha ny magnodidigna ananjy Izy kay nivôlagna tamin'ny lalahy io hoe: "Hinjagno ny tagnanô." Nagnano zaigny izy, ary nahivagna ny tagnany. 11Naifa feno havigniragna zare ary nifampivôlagna momba an'izay mety hatôn-jare amin'i Jesosy.12Taminjany andro zegny de nandaiha antanety Izy mbô hivavaka. Nitohizany bôrikiaka ny fivavahagna tamin'Andriamanitra. 13Kôfa tônga ny andro, natsôviny ny mpianany ho aminanjy, ary nifidy roa ambin'ny folo taminjare Izy, zay natsôviny koa hoe Apostoly.14Ny agnaranjare Apostoly re de Simona (zay antsôvigna koa hoe Petera) ary ralahiny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15Matio, Tomasy, Jakoba zanakalalahin'i Alfeo, Simona zay antsôvigna hoe Zelota, 16Jodasy zanak'i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, zay tônga mpamadika.17Avy te Jesosy nirôrôgna tan-tanety niaraka taminjare de nitsangagna tamin'ny tany marigna niaraka tamin'ny mpianany maro sy vahoaka maro avy agny Jodia sy Jerosalema ary ny sisin-tanin'ny Tyro sy Sidona. 18Tônga ire mbô hitandregny Ananjy ary mbô hahivagna amin'ny aretigna zare. Nahivagna koa ny vahoaka zay nigodagnin'ny fagnahy maloto. 19Ny olo jiaby tamin'ny vahoaka re de niaizaka mbô hisasika Ananjy hatrany satria nibôaka avy taminanjy ny hery mampahivagna, de nahivagna daholy zare jiaby.20De nizaha ny mpianany Izy, ary nivôlagna hoe: "Sambatra anare zay mahantra, fô anare ny fanjakan'Andriamanitra. 21Sambatra anare zay tihinagnana igniany, fô ho voky anare. Sambatra anare zay mitomagny igniany, fô hihomehy anare.22Sambatra anare kôfa tsy tiagn'ôlogna ary kôfa ahilikanjare sy haratsinjare, nohon'ny amin'ny Zanak'Ôlogna. 23Mifalià aminjegny andro zegny ary mibitaha an-kafaliagna, satria azo antoka fô hahazo valisoa maventy be agny andagnitra anare, fô mitovy aminjegny no nitondrasan'ny razanare ire mpaminagny.24Fô lozanare zay manjary, fô aifa azonare zay mahafa-po anare. 25Lozanare zay voky igniagny, fô mbôla ho tihinagna anare andro afa agny. Lozanare zay mihomehy igniany, fô andala sy hitomagny anare andro afa agny.26Lozanare, kôfa mivôlagna tsara mômba anare ny ôlo jiaby, fô karanjegny ny nataon'ny razanjare tamin'ny mpaminangny sandoka re.27Fô mivôlagna aminare zai mitandregny Zaho, tiavo ny fahavalonare ary magnanova tsara amin'izay tsy tia anare. 28Tahio zay magnôzogna anare ary mivavaha ho an'ire magnano tsinontsinogna anare.29Kôfa misy manaifaka ny fifinô raiky, de amiazo ananjy koa ny ilany. Kôfa misy ôlogna malaka lambanô, aza mitagna na de ny akanjonô koa aza. 30Amia zay ôlo jiaby mangataka aminô. Kôfa misy ôlona malaka raha anô, aza mangataka ny hamerenany izany aminô eky.31Karanzai tianô hataon'ôlogna aminô, de tôkony hataonô aminjare koa zegny. 32Kô zai ôlogna tianô foagna no tiavinô, ino mô tsara azonô aminjany? Fô na ny mpanota aza mbô tia zegny koa. 33Kô amin'ôlogna magnano tsara aminô foagna no agnanovanô tsara, ino mô tsara azonô aminjany? Fô na ny mpanota aza mbô magnano karanjegny. 34Kô tsy mampindragna afa-tsy amizay ôlogna handrasagna fô hangerigny ananjy aminô foagna anô, ino mô tsara azonô aminjany? Fô na ny mpanota aza mbô mampindragna ny mpanota, mbô hazaogna karanjegny koa.35Fô tiavo ny fahavalonare ary magnanova ny tsara aminjare. Mampindrama kay aza madigny valiny ary ho maventy ny valisoanare ary zanaky ny Avo Indrindra anare, fô Izy tegnany de tsara fagnahy amizay tsy misôtra sy ny ôlogna ratsy fagnahy. 36Manàgna famindram-po, karaha ny Babanare mpamindra fo.37Aza mitsara, mbô tsy ho tsaraigna anare. Aza magnameloka, ary tsy ho melohigna anare. Mamelà ny hafa, de mbô availa anare.38Magnomiaza, de amiagna anare zegny. Fahafoizagna be zay mitafotafo, miara-voahontsagna ary mitôbaka no hararaka am-pofoagnanare. Kara zay famatraragnare, no hamatraragna anare koa."39Avake Izy nagnano fagnoharagna taminjare koa. "Moa ve ny ôlogna jamba ho afaka mitarika ôlo-jamba hafa? Kô magnano zegny izy, de mety hivaringarigna antevagna zare roa, sa tsy zegny? 40Ny mpianatra raika de tsy maventiventin'ny mpampianatrany, fô zay nahatantairaka ny fiofanagna jiaby de ho karan'ny mpampianatrany.41Fa nagnino mô anô no mizaha ny mpiti-kakazo hely zay agnatimason-drahalahinô, kanaifa tsy mahatsikaritra ny vatan-kakazo agnaty masonô? 42Ino mô no ivolagnanô amin-dralahinô hoe: 'A Ralahiky, ambilay za hagnala ny mpiti-kakazo amin'ny masonô io, naifa tsy itanô aby ny vatan-kakazo agnaty masonô? Ry mpiatsaravelatsihy! Ala aminy masonô malôkany ny vatan-kakazo avake hainô tsara be hagnala ny mpiti-kakazo amin'ny masondralahinô.43Fô tsisy kakazo tsara hamoa voankazo lo, na hoe kakazo lo hamoa voankazo tsara. 44Fô ny kakazo tsiraikiraiky de fantatra amin'ny karazam-boankazo zay vokariny. Fô tsy afaka hisangotra aviavy amin'ny fatsy ny ôlogna, na halaka voaloboka amin'ny kakazovoandroy.45Ny ôlona tsara mamoa zay tsara avy amin'ny hariagna soan'ny fony, ary ny ôlogna ratsy mamoa avy amin'ny haria-dratsin'ny fony. Fô zay avoakan'ny fony no volagnin'ny vavany.46Fô magnino anare no magnantso Anahy hoe: 'Tompo, Tompo', kanaifa tsy magneky raha koragniky? 47Ny ôlo jiaby magnatogna Za sy mitandregny raha koragniky ary magneky zegny, de hovolagniky anare hoe kara ino izy. 48Karaha ny ôlogna zay nanangagna tragno izy, zay nandavaka laligna tamin'ny tany nananganany fôtotrin'ny tragno tambôny vatolampy take. Kô fa tônga ny rano be, de nandriaka nanôhitra zagny tragno zagny, fô tsy nampietsiky ananjy, satria tsara origna izy.49Ary zay ôlogna naharegny koragnanay naifa tsy magneky zaigny, de mitovy amin'ôlagna zay nagnôrigna trano tambôn'ny tany kay tsy nagnatô fôtotra. Kôfa nandravagna tragno ny ranobe, de nirodagna avy atrany zaigny, ary ravagna tantairaka zaigny tragno zaigny."

Chapter 7

1Kôfa navita nivolagna raha jiaby zegny tagnatrehan'ny vahoaka Jesosy, de niditra tagny Kapernaomy Izy.2Ary nisy kapiteny raika nanagna mpanompo zay tegna najaigny, ary narary sy aifa nariny ho foaty izy. 3Kô fa naregny mômban'i Jesosy ilay kapiteny, de naniraka lohôlognan'ny Jiosy handaiha aminanjy izy, angaho ananjy mbô ho avy hampahivagna ny mpanompony. 4Ary kôfa tônga tamin'i Jesosy zare, de nangaho mafy taminanjy hoe: "Tegna tôkony hatô aminanjy raha zegny, 5Satria tiany ny firenegnanay, ary lay nagnamboatra ny Synagoga ho anay."6Kay nanohy ny diany niaraka taminjare Jesosy. Fô mbola tsy lavitra ny tragnony aby Izy, de nandaifa namagna lay kapiteny nivolagna taminanjy hoe: "Tompo o, aza manahiran-tegna Anô, satria tsy tôkony hidiranô andragno aby zaho. 7Noho zegny de tsy nihevitra ny tegnako ho tôkony handaiha aminô aby za, fô teny tôkagna foagna volagninô de mahivagna ny mpanompoko. 8Koa satria zaho koa mbô lalahy manampahefagna, managna miaramila ambanimbaniky koa. Hoy zaho amin'ny raika: 'Andô,' de mandaiha izy, ary amin'ny raika hafa koa hoe: Avia,' de avy izy, ary amin'ny mpanompoko hoe: 'Atôvo tô,' de atôny zegny."9Kôfa naharegny zegny Jesosy, de variagna taminanjy Izy, ary nitodika tamin'ire vahoaka zay nagnaraka Ananjy de nagnano hoe: "Volagniko aminare, fô na tagny Israely aza tsy nahitako finoagna karanjô." 10Kôfa nierigna tandragno zare nasaigna, de nahita fô nahivagna tsara lay mpanompo.11Tafarahelinjany, de nandaiha tagny amin'ny tanàgna atao hoe Naina i Jesosy, ary niaraka taminanjy zare mpianany sy re vahoaka maro be. 12Kôfa nariny ny vavahadin'ny tanàgna Izy, indro, nisy fatin-dalahy raiky nindôsigna niboaka, zanaka lahy tôkan-dreniny (zay mpitondrataigna), ary vahoaka maro be avy ao amin'ny tanàgna no niaraka taminanjy. 13Nony nahita ananjy ny Tompo, de nalahelo tantairaka ananjy kay nagnano taminanjy hoe: "Aza mitomoagny." 14Avy te de niakatra Izy ary nikasika an'ilay serké zay nitondrasanjare lay razagna, ary nidôko zare nitôndra zegny. Aozin'ny hoe: "Ry tôvolahy, hoa zaho aminô, miaraima." 15De niarigna ilay maty kay nanomboka nivôlagna, ary Jesosy nanolotra ananjy tamin-dreniny.16Nangôrohôro aby zare jiaby, ka nitohy nidaira an'Andriamanitra zare nivôlagna hoe: "Mpaminagny maventy no natsagagna aketo amintsika" ary "Andriamanitra nitsinjo ny ôlognany." 17Itô vôvô momban'i Jesosy tô de nisahely magnairagna an'i Jodia sy ireo faritra magnodidigna jiaby.18Ire mpianatr'i Jaona nivôlagna taminanjy ny momba ire raha ire. 19De nagnantso roa tamin'ny mpianatra ananjy i Jaona kay nagnasa ananjy re ho agny amin'ny Tompo mbô hivôlagna hoe: "Anô mô lay ho avy, sa tôkony mbola hizaha hafa zahay?" 20Ary kôfa nagnatogna mariny an'i Jesosy zare, de aozin'ny lalahy re hoe: "Jaona mpagnano batisa no nagnasa anay andai aminô atô hagnontany hoe: 'Anô mô lay ho avy, sa tôkony mbola hizaha hafa zahay?'"21Ary tamin'ny laira zagny de nampahivagna ôlogna baitsaka tamin'ny aretigna sy fahoriagna ary fanaintaignana avy amin're fagnahy ratsy Izy, ary ôlogna Jamba baitsaka no napahiratiny. 22Jesosy namaly ka nivôlagna taminjare hoe: "Kôfa avy nandaiha tamin'ny lalagnanare anare, tatero amin'i Jaona zay hitanare sy regninare. Nahiratra ny jamba, nandaiha ny malemy, ny boka nadio, naregny ny maregnina, nitsangan-kovelogna ny maty, ary ny mahantra nitoriagna filazantsara. 23Sambatra ny ôlogna zay tsy mitsahatra ny mino Anahy nohon'ny atôko."24Ary kôfa lasagna re ôlogna nasain'i Jaona, de nanomboka nivôlagna tamin'ny vahoaka Jesosy ny momban'i Jaona hoe: "Hizaha ino mô no nivoahanare tagny an'efitra? Vôlomaigna nahozongozonin'ny rivotra mô? 25Fô hizaha ino nivohanare tagny? Lalahy miakanjo tsara?Zahavo, fô zare magnatô akanjo lafo vidy sy re mihaigna amin'ny fiainagna tsara de amin'ny lapan'ny mpanjaka. 26Fô hizaha ino nivohanare takagny?Mpaminagny sa? Ia, Hoa zaho aminare, ary mihoatra lavitra noho ny mpaminagny.27Izy no ilay voasôratra hoe: Indro, alaifako mialôha anô ny mpitôndra hafatranahy, zay hagnomagna ny lalagnanô mialôha anô. 28Lazaiky aminaré, fô aminaré zay nataira-biavy de tsy misy maventy karahan'i Jaona. Naifa ilay faran'ny hely de maventy amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy."29(Kôfa naregny zaigny ny ôlo jiaby, agnisan'izany ny mpamory hetra, de nagnambara fô marigna Andriamanitra, satrià natô batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy ré. 30Fa ré Fariseo sy ré mpahay lalàgna Jiosy kosa nandà tanjon'Andriamanitra ho an'ny taignanjaré, satrià tsy natôn'i Jaona batisa.)31"Amin'ino mô, no afahako mampitaha ny ôlogna amin'ito taranaka tô? Karaha ino mô zare? 32Karaha zaza midôla ny bazary izy ré, zay mipaitraka sy mifagnantso ary mivôlagna hoe: 'Nitsatra sodigna ho anaré zaihay, de tsy nandihy anaré. Nagnano hira mandàla ho anare zaihay, de tsy nitomoagny anaré.'33Fô i Jaona mpagnano batisa tônga tsy nihinagna môfo ary tsy nisotro divaigna, de ozinare hoe: 'Misy demonia izy.' 34Ny Zanak'Ôlogna tônga nihinagna sy nisotro, de aozinare: 'Zahô, angoaignana sy mpisotro Izy, naman'ire mpamory hetra sy mpanota!" 35Fô ny fahindriagna de amin'ny zanany jiaby."36Ary ny raika tamin're Fariseo nagnasa an'i Jesosy hiaraka hihinagna taminanjy. Kôfa avy nitsôfôtra tandragnon'ilay Fariseo Jesosy, de nipaitraka hihinagna tambôn'ny latabatra. 37Indro, nisy viavy tan-tanàgna zay mpanota. Kôfa natsikaritra izy fô nipaitraka tamin'ny latabatra tandragnon'ilay Fariseo Izy, de nitôndra boatin'Alabastara feno menaka magnitra izy. 38Kôfa nitsangana tankilan'ny tongony izy, de nitomoagny, kay nanomboka nandegny ny hongony tamin'ny ranomasony, de nifafany tamin'ny voron-dôhany re sady nirôhiny ny hongony ary nosôrany menaka magnitra.39Kôfa nahita izegny ilay Fariseo nagnasa an'i Jesosy, de nieritreritra, nivôlagna hoe: "Ra mpaminagny itô lalahy tô, de tôkony fantany hoe karazam-biavy magnakôry io mikasika Ananjy io, fô panota io.'' 40Jesosy namaly kay nivôlagna taminanjy hoe: "Simona, misy ra koragniky aminô. Ahozy hoe: "Volagno zegny, Mpampianatra o!''41Jesosy nivôlagna hoe: "Nisy mpampindram-bôla nanagna mpitrôsa rolahy. Ny raika tôkony agnaifa diman-jato denaria, raika dimam-pôlo. 42Kôfa tsy afaka nagnaifa zegny taminanjy izy ire, de sômby navailany an'izy rolahy. Noho zegny, izôvy aminjare rolahy taigna tiànanjy ? 43Simona namaly Ananjy kay nivôlagna hoe: "Lay nagnombaila be." De ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Marigna fitsaragnanô."44Ary Jesosy nitodika tagny amin'ilay viavy kay nivôlagna tamin'i Simona hoe: "Hitanô io viavy io. Nitsôfotra tandragnonô Za. Tsy namianô rano hanasan-tongotra, fô io viavy io de ranomasony no nandaimany tongoko ary voron-dôhany no namôrany ananjy. 45Tsy nagnôroka Za anô, fô izy de tsinidôka nagnôroka ny tongoko.46Tsy nisôranô diloilo ny lôhako, fô izy de nagnôsitra zegny tamin'ny tongoko. 47Noho zegny de milaza aminô Za fô, ire fahotany zay maro, de voavaila - satrià izy be fitiavagna. Fô zay navaila hely, de tià hely''.48De ahoziny taminy hoe: "Voavaila ire faotanô.'' 49Ire niara-nipaitraka nihinagna te de nanomboka nifampikoragna te aminjare hoe: 'Izôvy moà itô vô de mamaila heloka? 50Avake ahozy taminiviavy hoe: "Ny finoagnanô no navonjy anô. Madiana am-piadanagna."

Chapter 8

1Ary tavafara helin'izegny de nanomboka nandaiha nitety tanàgna sy tanety samihafa Jesosy, nitory sy nagnambara ny filazantsara mikasika ny fanjakan'Andriamanitra. Niaraka taminy ire roa ambin'ny fôlo lahy, 2karaha ire viavy sanagny zay sitragna tamin'ny fagnahy ratsy sy ny aretigna: Maria zay nantsôvigna hoe Magdalena, zay aifa namoahagna devoly fito; 3Johana, vadin'i Koza, zay mpitan-drarahan'i Heroda ary Sosana; sy ire maro afa koà, zay, tamin'ny fagnagnanjare, de nagnamia zay nilainjare.4Ra mbôla nisy vahoàka maro niangogna, de nagnatogna Ananjy ire ôlo avy tamin'ny isan-tanàgna, de nagnano fagnoharagna izy hoe: 5"Nisy pambôly nivoàka mbô hamafy ny vihiny. Ra izy namafy igny, de voafafy tamôron-dalagna ny sanagny ary de voadiàdià zegny, ary lanin'ny vôron'ny lagnitra. 6Ny sanagny kôza vaofafy tamin'ny vatolampy, de nalazo zegny, satrià tsy nisy hamandoagna.7Ary ny sanagny de voafafy tamin-dramaragnitra, ary ny tsilo niaraka naniry kay voagaija zegny. 8Ny sanagny voafafy tamin'ny tany lonaka kay namoà vokatra tsara lavitra be."Tavafaran'i Jesosy nivôlagna ire raha ire, de nagnantso mafy Izy hoe: "Zay manantadigny hitandrignaisagna, ôka izy nitandregny".9Nagnontany Ananjy ire pianany ny amin'ny tiàn'izegny fagnoharagna zegny hivolagnina. 10Ahoziny hoe: "Ny falalagna ramivon'ny fanjakan'Andriamanitra de namiagna anare, fô ho an'ny afa de miraisaka amin'ny fagnoharagna Za, mbô tsy ahita zare na de mahita aza, ary tsy hahay na de maregny aza."11Ary zao no dikany fagnoharagna: ny vihy de ny tenin'Andriamanitra. 12Ire voafafy tantsisin-dalagna de ire zay naregny naifa avitake de tônga ny devoly de nalakananjy tam-pôny, mbô tsy hino sy ho voavonjy zare. 13Ary ire tamin'ny vatolampy kôza de ire zay naregny ny teny, de mandray zegny amin-kafaliagna. Naifa tsy nisy fôtony ire; malaky foagna ny finoagnanjare, ary amin'ny fotoagna fitsapagna de lavo zare.14Ire vihy voafafy tamin'ny tsilo de ire ôlo maregny ny teny, fô kôfa mandaiha amin'ny diàny zare, de voagaijan'ny fitadiavagna sy hariagna ary ny fafinaraitagna amin'izô fiainagna zao, kay tsy matoy ny vihiny. 15Fô ny vihiny voafafy tamin'ny tany tsara, de ire naregny ny teny tamin'ny fo marigna sy tsara, ary izy ire zay mitagna tsara ary namokatra am-paraitagna.16Ary, tsisy ôlo, kôfa namelogna jiro, de manarogna ananjy amin'ny rakony na mamaitrakananjy akô ambany fandriagna. Fô mamaitrakananjy amin'ny fagnatôvan-jiro, mbô ho hitan'ôlo jiaby zay mitsôfotra ny hazavagna. 17Satrià tsisy takogna zay tsy ampafantarigna, na raha miafigna zay tsy hay ary hiseo amin'ny hazavagna. 18Kay tandrignaiso tsara, zay managna, de mbôla hamiagna baitsabaitsaka kokoà, fô zay tsisy kôza, na zay heritreretiny hanagnany aza de halagna aminanjy.''19Avake ny mamany sy ralahiny nagnatogna Ananjy, naifa tsy afaka nagnakaiky Ananjy nohon'ny vahoàka. 20Nisy novôlagna taminy hoe: "Ny mamanô sy ralahinô de mijaridigna ivailany, te hahita anô.'' 21Fô Jesosy namaly sy nivôlagna taminjare hoe: "Ny mamako sy ralahiky de ire zay mitandregny tenin'Andriamanitra sy magnano zegny.''22Ary indraik'andro de nandaiha an-dakana Izy niaraka tamin'ire pianany, ary Izy nilaza taminjare hoe: "Andaiha antsika arô ampitan-drano irô.'' De lasagna zare. 23Fô ra nandaiha igny zare de tafandry Jesosy. Ary nisy rivotra tônga tamin'ny farihy, kay feno rano lakagna, ary notandindoni-doza zare.24Avy te nandaiha taminanjy namôha Ananjy ré mpianatr'i Jesosy, nagnano hoe: "Tompo o! Tompo o! ho foaty antsika!" Ary nifôha Izy kay nivôlagna mafy ny rivotra sy ny rano magnonja, de nidôka, de tony avy te. 25Ary nivôlagna taminjare Izy hoe: Aiza mô ny finoagnanare?" ary natahotra mafy zare. Tsy vitany natahotra fô magnana koa zare, ary nifampagnontany hoe: "Izôvy mô izy, no mandidy na ny rivotra sy ny rano aza, magnaiky Ananjy?"26Zare de nahazon'ny faritr'i Gerasena, zay narindrin'ny farihin'i Galilea. 27Ary kôfa niakatra tan- tanety Jesosy, de nitrôtra tamin'ny lalahy raiky avy tan- tanàgna zay nisy demonia. Kôfa aila izy tsisy lamba, ary tsy nipaitraka tan dragno fô tam-pasagna.28Kôfa nahita an'i Jesosy izy, noafatra mafy sady niakôhotra talôhany kay nivôlagna mafy hoe: "Ino mô iraisanô aminahy ry Jesosy, zanak'Andriamanitra o? Miangavy anô za, aza ampijaligna." 29Fô Jesosy nandidy ny fagnahy maloto hiala tagnatin'io lalahy io. Fô aifa nandritry ny fotoagna maro no nigijain'izagny izy, kay nifatôrany tamin'ny rôjo sy gadra vy no noambaisany ananjy, de narateny ire rôjoananjy ary nindôsin'ny demonia tagny agnefitra izy.30Jesosy nagnontany ananjy hoe: "Izôvy agnaranao? Ary hoy izy hoe: "Legiona," fô aifa maro ny demoniaka zayaifa niditra taminanjy. 31Izy ré niangavy ananjy foagna mbô tsy handaifa ananjy an- davaka tsy hita noanoa.32Ary nisy kisoa maro nihinagna tankilan'ny havoagna. Kay niangavy Ananjy ilay demonia mbô hamaila anjaré, handaiha hifindra akagny kay navailany zegny. 33Kô nivoàka tamin'io lalahy io ny demonia de nifindra tamin'ny kisoà, ary nitantraivatraiva tagny an-taivagna kay nandaiha amin'ny farihy ilay kisoà kay maty.34Ary kôfa hitan'ny mpiabin-kisoà ny raha nitranga, de niazakazaka ka nivôlagna anjagny tan-tanàgna sy tagnaty ala zare. 35Kay niboaka aby ny fokon'ôlogna tan-tanàgna mbô hizaha ny raha nitranga, ary nagnatogna an'i Jesosy zare kay nahita an'ilay lalahy nivoahan'ny demonia. Ary nipaitraka tan-tongon'i Jesosy izy, nagnatô lamba izy sady vory saigny; de natahotra zare.36Avy te zare nahita zay nivôlagna zay fômba nahivagnan'ny lalahy nanjakan'ny demonia. 37Ary ny vahoaka jiaby tamin'ny faritr'i Gerasena de nangataka an'i Jesosy mbô hiala aminjare aké, satrià natahotra mafy zare. Noho zegny de nadaiha an-tsambo kely Izy mbô afahan-jare miherigna.38Lay lalahy nivoahan'ny demonia ndreky de niangavy Ananjy mbô indôsiny hagnaraka Ananjy, fô Jesosy nagnasa ananjy niherigna de nivolagniny hoe: 39" Mihiraigna agny an-dragnonô anô kay magnanôva tatitra feno momba zay natôn'Andriamanitra taminô." Ary ilay lalahy nandaiha tamin'ny lalany, de nagnambara magnairan-tany ny raha natôn'i Jesosy taminanjy.40Ary kôfa niherigna Jesosy de nandray ananjy ny vahoàka, fô zare de aifa nandigny Ananjy. 41Ary nisy lalahy atô hoe Jairo, zay raiky tamin'ire mpitarika tako amin'ny Synagoga, nagnatogna niakôhotra tan- tongon'iJesosy, kay niangavy Ananjy mbô Andaiha an- dragnony, 42satria ny zanany vavy tôkagna za roambiny fôlo tôgna te marary mafy ho foaty. Kô nandaiha tan-dalàgna Jesosy, de maro ny ôlogna nifanisitsisika magnodidy Aminanjy aké.43Ary nisy viavy araiky také zay nandaiha rà nandritry ny roabin'ny fôlo tôgno ary nandany ny vôlany jiaby, [Fanamarihagna: iré mpanam-pahaizagna de aifa nizarazara hevitra raha tôkony ampidirigna akéto ny fehezanteny hoe: "Nandany ny vôlany jiaby (izy)] ary tsisy nampahivagna ananjy na izôvy na izôvy. 44Ary izy tafaran'ny nikitiany ny poetin-damban'i Jesosy, de nidôko ny rànanjy.45Jesosy nivôlagna hoe: "Izôvy nitagna anahy te?" Kôfa nandà ny ôlo jiaby de aozy i Petera hoe: "Tompo, magnodidigna anô indre ôlogna jiaby ary magnery Anao." 46Fa Jesosy nivôlagna hoe: "Nisy nitagna za te, fô fantako fô nisy hery niala avy taminahy."47Kôfa hitan'ilay viavy fô tsy takotra izy, de nangitakitaka izy, ary niakôhotra taminanjy te izy. Nivolagniny tamason'ôlogna ny antony nikasihany Ananjy, sy ny fômba nahivagnany takéke. 48Ary Izy nivôlagna taminanjy hoe: "Ry zanako vavy, ny finoagnanô no nampahivagnanô. Mandihana am- piadanagna."49Avy te kô mbôla nivôlagna izy, de nisy ôlogna raiky avy an-dragnon'ny mpitarika synagoga, nagnano hoe: "Maty ny zanagnô viavy. Aza sahiragninao eky ny mpampianatra." 50Kôfa naregny zagny Jesosy, de namaly an'i Jairo Izy hoe: "Aza matahotra; minoà foagna de ahivagna izy."51Kôfa nandaiha an-dragno Izy, de tsisy ôlon-tôkagna nanjary niditra tao ankoatran'i Petera sy Jaona sy Jakoba, sy ny baba sy maman'ilay zaza. 52Ary zare nandàla sy nitomoagny ananjy, 53Fô Izy nivôlagna hoe: "Aza mitomoagny; tsy maty izy fô mandry." De nihomehy ananjy zare, satrià fantatra fô maty ilay zaza viavy.54Fô niraisiny tamin'ny tagnany izy kay nagnantso mafy, nivôlagna hoe: "Zanako, mitsangàna!" 55Ary niherigna ny fagnahiny, kay niharigny avy hatrany izy. Ary nibéko ananjy ré Izy mbô hagnamia habigna ananjy. 56Ary magnana ny Ray aman-dreniny, fô Izy ndraiky nandrara anjaré mbô tsy hivôlagna na aminjôvy nô izôvy ny raha nitranga.

Chapter 9

1Nagnantso zare roa ambin'ny fôlo lahy Izy ary nagnomia anjaré ny hery sy fahefagna amin'iré demonia jiaby ré ary hampahivagna ire aretigna. 2Nalaifa zare hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy nampahivagna ny marary.3Ahozy taminjare hoe: "Aza mitôndra na ino na ino amin'ny laihanare tsisy tehigna, tsisy tragnom-basy, tsisy môfo, tsisy vôla, ary tsisy akanjo fagnampiny. 4Zay tragno idiranare, de midokaha akô madra- pialanare.5Na akaiza na akaiza tsy handraisanjare anare, kôfa miala zegny tanàgna zegny anare, de ahitsagno hiala amin'ny tongonare ny vôvôka mbô ho fijoroagna vavolombelogna anohairagna azy ire.'' 6Avake de lasagna zare ary namakivaky ire tanàgna, nitory ny filazantsara sy nagnasitragna.7Ary regnin'i Heroda mpanapaka dahôlo ra jiaby nitranga zegny, ary de nany fagnahy izy, satrià nivôlagny ny sanagny fô i Jaona mpagnano batisa no nitsangagna tamin'ny maty, 8ary voalaza fô niseho Elia, ary ny sanagny kôza mivôlagna fô raika tamin'ire paminany talôha no nitsangagna tamin'ny maty. 9Ahozy Heroda hoe: Za no nanapa-dôha an'i Jaona, kay zôvy ndraiky zegny ôlo andrignaisako ra karan-jagny?'' Ary nihaizaka ny ahita Ananjy izy.10Kôfa niherigna ire apostoly, de nitantara taminy ire zaha jiaby vitanjare. Avake nindôsiny niaraka taminy zare, ary nandaiha nitôkagna ho amin'ny tanàgna antsôvigna hoe Betsaida. 11Fô vô naregny momba zegny ire vahoaka, de nagnaraka Ananjy. De niraisiny zare ary nikoragniny azy ire ny momban'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nagnasitragna ire zay nila fagnasitragnana Izy.12Ary kôfa ho aligna ny andro, de nagnatogna Ananjy ire rombifôlo kay nivôlagna hoe: "Asaivo mody ire vahoaka mbô hafaka mamonjy tanàgna magnodidigna sy ambanivôlo mbô hahita andriagna sy anigna, satrià amin'ny tany daizaka atsika.'' 13Fô ahoziny taminjare hoe: ''Amiazo anigna zare re!'' Ary nivôlagna zare hoe: Akato kony môfo dimy sy lôka roa foagnay ra tsy manday mividy ho anôlo jiaby re dônko! (Take de nisy lalahy dimy arivo). 14Ke nivolagna tamire mpianany Izy hoe: ''Alamino tsy tôkotôkony zare kay tôkony raiky dimapôlo ôlo.''15Kay nagnano zaigny zare ré, napaitraka ire vahoaka ré. 16Nandray ire môfo dimy sy lôka roa ré Izy, de niandrandra ny lagnitra nisôtra de avy te namiany ire mpianany zaigny mbô zarainjare amin'ny vahoaka. 17Nihinagna zare kay afa-po, ary nahonkon-jare ilay potipotiny roa ambin'ny fôlo bazary.18Ary kôfa nivavaka manôkagna Jesosy, de niaraka taminanjy ré mpianatra ré. De nagnotaniany ré, natôny hoe: "Atôn'ire vahoaka ré izôvy Zaho? 19Namaly zare hoe: "Jaona mpagnano batisa. Fô nisanany nivôlagna fô Elia, fô ny sagnany nivolagna fô nitsangagna tamin'ny maty ré mpaminagny talôha."20Ary nivôlagna taminjare Izy hoe: "Ary anaré magnano Anahy izôvy?" Petera namaly ananjy hoe: "Anô ilay Kristy zanak'Andriamanitra." 21Fô nifairany mafy zare mbô tsy hivôlagna anjany na aminjôvy na izôvy, 22nagnano hoe: Ny Zanak'Ôlogna de tsy maintsy hijaly amin'ny raha maro ho lavin'ire lôh'ôlogna sy lohan'ny mpisorogna ary ire mpanôra-dalàgna, hivonigny Izy ary amin'ny andro fahatelo de hatsangana."23Ary Aoziny tamin-jare jiaby hoe: "Kô misy tiagnaraka Anahy, de tsy maintsy mandà ny taignany izy ary hitôndra ny kakazofijaliagna kay hagnaraka Anahy. 24Na zôvy na zôvy te hagnavotr'aignananjy de hagnary zaigny, fô na izôvy na izôvy magnary ny aignany noho ny fitiavany Anahy de hagnavotra zany. 25Ino mô tsara azon'ôlogna amin'ny fanagnan'izô tontolo zô naifa magnary na mamotika ny aignany?26Fa na izôvy na izôvy maignatra ny Aminahy sy fivolagnako, de maignatra ananjy koa ny Zanak'Ôlogna kôfa tônga amin'ny voninahiny, sy ny Papa sy ré anjely masigna Izy. 27Fô lazaiky aminaré, fô ny sasany aminaré zai mitsangagna akéto de tsy ahita fafataisagna mialôhan'ny ahitany ny fanjakan'Andriamanitra."28Ary valo andro tafaran'ny nilazan'i Jesosy ire teny re, de nidôsiny niaraka taminanjy Petera sy Jaona ary Jakoba kay niakatra tanety hivavaka. 29Kôfa nivavaka Izy, de niôva endrika ny tarehiny, ary nanjary fotsy mangilangilatra ny ankanjony.30Indro, Nisy roa lahy nikoragna taminanjy, Mosesy sy Elia, zay nipoitra tamim-boninahitra mamirapiratra. Nikoragna momba ny fialàny Izy, 31zay nindôsiny hotantairahigna agny Jerosalema.32Ary Petera sy zay niaraka taminanjy de tihoahandry mafy, kôfa tegna taitra tanteraka zare, de nahita voninahiny sy lalahy roa lahy nitsangana niaraka taminanjy. 33Kôfa niala nagnalavitra an'i Jesosy zare, de aozin'i Petera taminanjy hoe: "Tompo, tsara amintsika midôko aketo. Ambilay zahay hagnamboatra fialôfagna telo, raika Aninao, raika an'i Mosesy, ary raika an'i Elia." (Tsy hainy raha koragniny.)34Tampivolagnan'zegny izy, de nisy rahogna tônga, nisarogna taminjare, natahotra zare kôfa niditra tamin'ilay rahogna. 35Nisy feo niboaka avy tamin'ilay rahogna, nagnano hoe: "Itô ny Zanako zay voafidy; tandrignaiso Izy." 36Kôfa nivolagna ilay feo, de Jesosy raika no hita take. Nitagnanjare foagna ny fahanginany ary tsy nivolagninjare tamin'ôlogna na zôvy na zôvy ny momba izay rehetra hitan'izy ireo.37Ary tamin'ny andro magnaraky io, kôfa nirôrôgna avy tan-tanety zare, de vahoaka maro nitrôtro taminjare. 38Nisy, lalahy raika avy tamin'ny vahoaka no nihafatrafatra mafy, nagnano hoe: "A Ramose o, mikorery aminô zaho mbô zaha koa zanako tô, fô zanakolahy tôkana izy tô. 39Hitanô, misy fanahy mibeko ananjy de mihiakiaka tampoka izy; ary mahatônga fanintogna aminanjy zegny kay mamôaka ranivy ny vavany. Tsy miala aminanjy zegny ary mandrairaka ananjy. 40Nikorery tamin'ny mpianatranô re za, fô tsy afanjare ilay raha."41Namaly Jesosy ka nagnano hoe: "Anare tsy mpino sy taranaka ratsy fitondran-taigna, oviagna mô no tsy maintsy hidôkoako miaraka aminare sy hiaraitako miaraka aminare? Indôsy atô ny zanagnô lalahy zegny." 42Kôfa nagnatogna ilay zaza lalahy, de natsipin'ny demonia tamin'ny tany izy ary nampihinjitsinjitra ananjy. Fô Jesosy nivolagna mafy ilay fagnahy maloto ary nampahivagniny ilay zaza lalahy, de namiany an'ny babany.43Ary avy take de variagna daholy zare nahita ny halibiazan'Andriamanitra. Kôfa magnana tamin'ny raha jiaby natôny iny zare, de aoziny tamin'ny mpianany hoe: 44"Ambilao reto teny reto ho tônga laligny an-tandigninare: ny Zanak'Olona de hivadihan'ny ôlogna ka hatolotra eo antagnan'ôlogna." 45Fô tsy azonjare raha tiany volagnina. Zegny de navony taminjare, de tsy azonjare raha nivolagniny, ary mbôla natahotra zare ny hagnontany mômba zegny fagnambaragna zegny.46Ary nanomboka te de niady pilasy zare ny amin'ilay hitôndra anjare. 47Fa Jesosy, nahafantatra raha tam-ponjare, de nalaka zaza hely raika kay napaitrany tankilany 48ary nivolagna taminjare hoe: "Fa izôvy na izôvy mandray itô zaza itô amin'ny Agnarako, de mandray Anahy; ary na izôvy na izôvy mandray Anahy, de mandray zay nagnasa Anahy. Fô zay faran'ny hely no faran'ny maventy."49Jaona namaly hoe: "Tompo o, nahita ôlogna raika zahay nagnala demonia tamin'ny agnaranô de nisakananay izy, satria tsy magnara-dia anay." 50"Aza raràgna izy," aozin'i Jesosy, "Satria zay tsy manohitra anare de mômba anare."51Kôfa nariny ny andro ampiakaragna Ananjy, de niatrika ho agny Jerosalema Izy. 52Nandaifa mpitôndra hafatra mialôha ananjy Izy, Ary nandaiha zare ka niditra tan-tanàgnan'ny Samaritana raika mbô hagnomagna raha jiaby ho Ananjy. 53Fô ny vahoaka tô tsy nandray Ananjy, satria nitodika ho any Jerosalema Izy.54Kôfa nahita zegny Jakoba sy Jaona mpianatra, de Aozinjare: "Tompoko, tianô mô zaihay kô handaifa afo milatsaka avan-dagnitra mbô hamotika anjare?" 55Fô nitodika Izy ary nivolagna mafy taminjare, 56ary lasana tagny an-tanàgna hafa zare.57Ary kôfa nandaiha tan-dalagna zare, de nisy ôlogna raika nagnano taminanjy hoe: "Hagnaraka Anô zaho na andaiha aiza na andaiha aiza andihananô." 58Jesosy nivolagna taminanjy hoe: "Ny ambodia managna lavakananjy, ary ny vôrogna an-dagnitra de managna akaniny, fô ny Zanak'ôlogna tsy manana pilasy agnatôvagna ny lôhany."59Ary Aoziny tamin'ôlon-kafa hoe: "Andô hagnaraka Anahy." Fa aozin-jaré hoe: "Tompoko, avilao bôka zaho handevigny babako." 60Fa Aoziny taminanjy hoe: "Avilao ny maty handevigna ny maty aminanjy. Fô anô, mandihana ka mitorià agny lavidavitra akagny hagnitatra ny fanjakan'Andriamanitra."61Ary nisy ôlon-kafa nagnano hoe: "Tompo, hagnaraka anô zaho, fô avilao bôka za andaiha agnano viloma lay andragnoko agny." 62Jesosy namaly ananjy hoe: "Tsisy ôlogna mitagna angady kay mitodika kay mbôla ho ananjy ny fanjakan'Andriamanitra."
Chapter 10

1Ary tafaran'iregny raha regny, de nifidy fitopôlo lahy [Fagnamarihagna: Maro amin'ire fandikagna talôha taigna tsara no milaza hoe: "fitopôlo", fô ny sasany milaza hoe: "roa ambi-fitopôlo." ] hafa ny Tompo, ary nandaifa anjare tsiroaroa nialôha Ananjy tagny amin'ny tanàgna jiaby sy toeragna zay fandihanany. 2Aoziny taminjare hoe: "Be ny vokatra, fô vitsy ny mpiasa. Noho zaigny hangataho ny Tompon'ny vokatra mbô handaifa mpiasa mbô ho eny amin'ny vokatra."3Mandaihana amin'ny lalagnare. Jere, alaifako karan'ny zanak'ondry ampôvoan'ny ambodia anare. 4Aza mitôndra kajiam-bôla, na fitoeragn'entagna, na kapa, ary aza magnotsafa na izôvy na izôvy an-dalagna.5Zay tragno hidiranare, volagno mialôha hoe: 'Fiadanagna anie ho amin'itô tragno itô!' 6Kôfa misy ôlognan'ny fiadanagna akô, de hipaitraka akô ny fiadanagna volagninare, kôfa tsisy, de hiherigna aminare zaigny. Mipitraha andragno akô malôkany, mimoàna sy misotroà zay amianjare akô, fô ny mpiasa de taigna tôkony hahazo karamany. 7Aza mifindrafindra tragno.8Fô amin'izay tanàgna zay idiranare, kay mandray anaré, hoano zay atolony anaré, 9ary ampahivagno ny marariny. Volagno zare hoe: 'Aifa mariny anaré ny fanjakan'Andriamanitra.'10Na oviagna na oviagna anare no miditra an-tanàgna kay tsy mandray anare zare, de miboaha an-dalambe ary volagno hoe: 11'Na de ny fasigna ny tanàgnanare zay mipaitaka amin'ny tongonay aza de hifafanay hanôhitra anare! Fantaro anaifa zô: Aifa mariny ny fanjakan'Andriamanitra.' 12Volagniko aminare fô amin'ny andro fitsaragna de ho azo liferigna kokoà ny an'i Sodoma noho ny amin'izegny tanàgna zegny.13Loza ho anô, ry Korazina! Loza ho anô, ry Betsaida! Fô kô ny asa maventibe zay natô taminô no natô tagny Tyro sy Sidona, de aifa aila zare no nibaibaka, nipaitraka tamina lamba mandala sy jôfo. 14Fô azo liferigna kokoà ny an'i Tyro sy Sidona amin'ny fitsaragna toy zay nenare. 15Anô, ry Kapernaomy, mievitra mô anô fô andaiha an-dagnitra? Ahe, hindôsigna arorogna any amin'ny Afo be anô.16Zay mitandregny anaré de mitandregny Anahy, ary zay mandà anaré de mandà Anahy de mandà ilay nagnasa Anahy."17Nierigna am-pifaliagna reo fito-pôlo, kay nivolagna hoe: "Tompo, na de ny demonia aza de magneky anay tamin'ny agnaranô." 18Jesosy nivolagna taminjare hoe: "Nahita an'i Satana nilatsaka avy tagny an-dagnitra karaha varatra Zaho." 19Zahà, fô efa namiako anare ny fahefagna handià menaragna, ny ala, ary ambonin'ny hery jiaby ny fahavalo, ary na ino na ino de tsy hisy handratra anare amin'ny fômba jiaby. 20Na de zaigny aza mifaly foagna aminjany, hoe: nagneky anare ny fagnahy, fô mifalià fô voasôratra agny an-dagnitra ny agnaranare."21Tamin'io fotoagna io foagna de nifaly tokôa tao amin'ny Fagnahy Masigna Izy, ary nivolagna hoe: "Midaira Anô Zaho, a Baba, Tômpon'ny lagnitra sy ny tany, fô efa navoninô ny raha regny tamin'ny hendry sy ny manan-tsaigna, ary nivolagninô tamin'ire tsy manam-pahalalagna, karaha zaza hely. Ia, Babako, fô zaigny no ankasitrahagna amasonô."22Ny Raha jiaby de nankinin'ny Babako taminahy, ary tsisy mahafantatra Anahy kô tsy Babako foagna, ary tsisy mahafantatra hoe: izôvy ny Babako afa-tsy ny Zanaka sy zay nisafidianan'ny Zanaka haseho Azy."23Avy take de niodigna tamin'ny mpianatra Izy kay nivolagna mangingigna hoe: "Sambatra zay mahita ny raha hitanare. 24Volagniko aminare, mpaminagny sy mpanjaka maro no nagniry ahita zay raha itanare, fô tsy hitanjare zagny ary haregny raha regninare, fô tsy reninjare zaigny."25Indro, nisy mpampiagnatra ny lalànan'ny Jiosy raiky nitsangagna mbô hitsapa Ananjy, ka nivolagna hoe: "A ramose o, ino mô no tsy maintsy hatôko mbô handôvako ny fiainagna mandrakizay?" 26Jesosy nivolagna hoe: "Ino mô no voasôratra amin'ny lalàgna?Karakory famakianô ananjy?" 27Nagnomia valinteny izy de nivolagna hoe: "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fognao jiaby, amin'ny fagnahinao jiaby, amin'ny herinao jiaby, amin'ny fisainagnanô jiaby, ary tiavo ny namanô karan'ny taignanao." 28Jesosy nivolagna taminanjy hoe: "Marigna ny valinteninô. Ataovy zaigny de ho velogna anô."29Fô ny mpampianatra, nagniry hagnamarigna ny tegnany, de nivolagna tamin'i Jesosy hoe: "Izôvy mô namako?" 30Jesosy namaly ka nivolagna hoe: "Nisy lalahy raiky nirôrôgna avy tagny Jerosalema ho agny Jeriko. Izy de nindahin'ny mpagnaindaka, de nalainy fanagnana jiaby taminanjy sady nivileziny izy de navailany kôfa ho foaty izy. "31Ary sendra nisy mpisorogna nandalo taminjany lalagna zagny, kôfa nahita ananjy izy, de nandaiha tampitany. 32Karanjagny koa nisy Levita raika, kôfa nandalo tamin'ilay toeragna kay nahita ananjy, de nandaiha tampitany.33Fô nisy Samaritana raiky, kôfa nandaiha tamin'ny tany nandaihanany izy, de tônga tamin'ny tany nisy ananjy. Kôfa nahita ananjy izy, de nitsetra ananjy. 34De nagnatogna ananjy izy kaY nifognôsiny ny fery ananjy, ary nandraràhany mainaka sy divaigna taminanjy. Nampitikininy ny biby ananjy izy, kay nindôsiny talôtely, ary nikarakarainy. 35Amaraignaniny de nalaka denaria roa izy, ary natôlony ny tompon'ny hôtely zaigny, ary nivolagna izy hoe: 'Karakarao izy, ary na otrino na otrino laninô mihoàtra, kôfa mierigna zaho magnaifa ananjy. '36Izôvy aminjare telo nieritreretinô, mbô kamaradin'ilay naindahina mpagnaidaka?" 37Namaly ilay mpampianatra hoe: "Ilay raiky zay naneho fiantragna ananjy. "Jesosy nivolagna taminanjy hoe: "Mandihana ary magnanova karanjagny koa."38Ary kôfa niara-nandaiha taminjare Izy, de niditra tan-tanàgna raiky, ary nisy viavy raika nantsôvigna hoe Marta nampandroso Ananjy tandragnony. 39Nanagna rahavavy atao hoe: Maria izy, zay nipaitraka tan-tongon'ny Tompo ary nitandregny raha nivolagniny.40Fô Marta sahiragna be tamin'ny fikarakaragna ny sakafo ho arôso. Nandaiha tamin'i Jesosy izy, de nagnano hoe: "Tompo, tsy mampagnino Anô ny agnombailan'ny rahavaviky anahy hiasa raika? Kay volagno izy mbô hagnampy anahy." 41Fô namaly ny Tompo ka nagnano hoe: "Marta, Marta, magnahy amin'ny raha maro be anô, 42kanaifa raha raiky foagna no taigna ilaigna. Maria de aifa nifidy zay taigna tsara, zay tsy alagna aminanjy."

Chapter 11

1De zao raha nitranga refa nivavaka tamin'ny toeragna raiky Jesosy, nisy raika tamin'ny mpianany nivolagna taminanjy hoe: "Tompo, mbô hampianaro mivavaka zaihay karan'ny nampianaran'i Jaona reo mpianany."2Aozin'i Jesosy taminjare hoe: "Kôfa mivavaka anare de volagno hoe: 'Ray o, ho hamasinigna anie ny agnaragnô. Ho tônga anie ny fanjakagnanô.3Amiavo anay ny hanignanay igniany. 4Ambilao ny fahotagnanay, karaha ny nambilanay zay meloka taminay. Aza mitôndra anay handaiha amin'ny fakam-pagnahy."5Jesosy nivolagna taminjare hoe: "Izôvy aminare no hanagna namagna, ary handaiha aminanjy amin'ny sasakaligna, ary agnano aminanjy hoe: 'Ry namagna, mbô ampindramo môfo telo edy zaho, 6fô misy namako raiky vô tônga avy lavitry, ary tsy managna na ino na ino harôso aminanjy zaho.' 7Ary hamaly ananjy donko raiky tatragno kay nivolagna hoe: 'Aza mifagnelingeligna.' Aifa mifody tamiagna, ary ny zanako, aifa mandry am-pandriagna, miaraka aminahy. Tsy afaka mitsangagna zaho hagnomia môfo anô.' 8Mivolagna aminare Zaho, fô na de tsy mitsangagna sy magnomia mofo ananjy aza izy satria mpikamarady zare, de hagnomia fô izy nohon'ny fikirizany tsy misy haignatra, de hitsangagna izy ary hagnomia môfo jiaby zay ilainy.9Mbô milaza aminare koa aho, Mangataha, de amiagna anare; mitadiava, de hahita anare; konkogno, de hisokafigna anare. 10Fô ny ôlogna jiaby zay mangataka de mahazo, ary zay mitady de mahita; ary zay ôlogna magnonkogna, de hisokafigna.11Izôvy aminare raim-pianakaviagna re mô, kôfa angatahan'ny zanany lôko, de hagnomia ananjy bibilava fô tsy lôko? [Fagnamarihagna: re fandikagna tegna tsara de misy vaki-teny fohy kokoà, zay arahintsika aketo. Ny fandikagna talôha sanany de misy vaki-teny lavalava kokoà, zay hita akô amin'ny Matio7:9 koa: "Raim-pianakaviagna izôvy aminare, mô mangao môfo ny zanakare, no hagnomia ananjy vato? Na lôko, de hagnomia ananjy bibilava?" ] 12Na kô mangao atody izy, de hamiagnare ala izy vô? 13Noho zagny, kô anare ratsy fagnahy aza mahay magnomia fagnomaizagna tsara ho an'ny zanakare, de karakôry ny habaizan'ny Fagnahy Masigna hamian'ny Ray anare izay any an-danitra ho an'ireo izay mangao Aminy?"14Ary Jesosy nandroàka demonia moà. Kôfa niboika lay demonia, de nahay nivolagna lay lalahy moà, ary magnana ny vahoaka. 15Fô ny ôlogna sanany nivolagna fô: "Amin'ny alalan'i Belzeboba, zay mpitarika ny demonia, no androasany demonia."16Ny sanany nitsapa Ananjy ary nizaha famantaragna avy tagny an-dagnitra taminanjy. 17Naifa fantatr'i Jesosy zay tagnaty lôhanjare ka nivolagna taminjare Izy hoe: "Re fanjakagna jiaby zay mirasarasa de rava, ary ny tragno zay mirasarasa de hirodagna."18Kô miady an-tragno Satana, agnano akory hampaharitra ny fanjakagnany? Fa ozinare hoe mandroaka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba Zaho. 19Kô mandroaka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba Zaho, amin'ny alalanjôvy ndraiky no androahan'ny mpagnara-dia anare ananjy? Donko, de zare no hitsara anare. 20Kô mandroaka ny demonia amin'ny alalan'ny ratsan-tagnan'Andriamanitra Zaho, de tônga aminare ny fanjakan'Andriamanitra.21Kôfa ampy fitôvagna tsara ny lalahy mantajaka raika miamby tragnony, de voahambigna ny hariagnany, 22Naifa kô raha mahery noho izy ny lalahy raika ka mandresy ananjy, de alain'ilay lalahy mahery kokoa amin'ilay lalahy ny fiadiana, ary ho robainy ny fanagnan'ilay lalahy. 23Zay tsy miaraka Aminahy de mpanôhitra Anahy, ary zay tsy mionkogna aminay de misaraka aminahy.24Kôfa miala amin'ôlogna raika ny fagnahy ratsy, de lasagna izy mamakivaky toairagna tsisy rano ary mizaha fitsaharagna. Ary kôfa tsy mahita, de aozy hoe: "Andaiha ierigna an-dragno niaviako zaho.' 25Kôfa tafaerigna, izy dia mahita zagny tragno zagny mady sy milamigna. 26Avake de lasagna izy malaka fagnahy hafa ratsy lavitra ny te miisa fito miaraka aminanjy ary de miditra mbô hipaitraka akô zare jiaby. Kay ratsiratsy lavitra ny te ny iafaran'izagny ôlogna zagny."27Kôfa nivolagna raha re Izy, de nisy viavy raika nanandratra ny feony tagnaty vahoaka ary nagnano taminanjy hoe: "Sambatra ny kibo zay nitairaka Anô sy ny nono zay ninonoanô." 28Fa Aoziny hoe: "Zay mitandregny ny Tenin'Andriamanitra sy mitagna anjany, no Sambatra lavitra noho zegny."29Kô mbôla nitômbo ny vahoaka, de nanomboka nivolagna Jesosy hoe: "Itô taranaka tô de taranaka ratsy. Mizaha famantaragna izy, naifa tsisy famantaragna hatoro ananjy afa-tsy ny famantaragnan'i Jona. 30Fô karaha ny nahatônga an'i Jona ho famantaragna tamin'ire Ninivita, karanjegny koa de ho famantaragna ny Zanak'Ôlogna amin'ity taranaka itô"31Ny Mpanjaka vavin'ny Atsimo de hitsangagna amin'ny fitsaragna miaraka amin'ireo lalahy amin'itô taranaka itô kay hanameloka anjare, fa tônga avy tagny amin'ny faran'ny tany izy mbô hitandregny ny fahidriagnan'i Solomona, ary indro, aketo misy Ôlo- maventy noho i Solomona.32Ny lalahin'ny Ninive de hiara hitsangana amin'itô taranaka itô amin'ny fitsaragna ary hagnameloka ananjy, satria nibaibaka tamin'ny toritenin'i Jona zare, ary indro, misy Ôlogna maventy noho Jona aketo.33Tsisy ôlogna raiky, kôfa mamelogna jiro, de apaitraka ambandraha na agnaty bazary, fô atô ambôny pilasinjiro, mbô ho hitan'izay miditra ny hazavagnany. 34Ny masonô no jiron'ny vatagnanô. Kôfa tsara ny masonô, de rakotra hazavagna ny taignanô jiaby. Fa kô ratsy ndraiky ny masonô, de ahizigna ny taignanô. 35Noho zagny, mitandrema anare mbô tsy ho maizigna ny hazavagna aminare. 36Ary, kôfa feno hazavagna ny taignanô jiaby, kay tsisy ampahan'zagny maizigna, de ho karanjeny ny jiro zay mampamiratra ny hazavagna amin'ny taignanô jiaby.37Kôfa vita raha nikoragniny, de nisy Fariseo nagnasa ananjy hiaraka-hihinagna aminanjy an-dragnony, de niditra Jesosy kay nipaitraka. 38Magnana ilay Fariseo fô tsy nagnasa alôhan'ny hihinagna Jesosy.39Fa aozin'ny Tompo taminanjy hoe: "Avahizo, anare Fariseo, de magnady ny ivailan'ny tasy sy ny lasety, naifa ny agnatinare de feno rombaka sy faharatsiagna." 40Anare hely saigna! Tsy nagnano zay ao agnatiny mô no nagnano ny ivailany? 41Amiavo ny mahantra zay ao agnatiny, de ho mady ho anare aby ny raha jiaby.42Fa loza ho anare ry Fariseo, satria mandoa ny ampahafolon'ny solila sy ny rota ary ny kakazo hafa agnaty ala anare, naifa tsy nahoanare ny fahamarinagna sy ny fitiavan'Andriamanitra. Ilaigna ny magnano ny marigna sy ny mitia an'Andriamanitra, no sady tsy magnadino ny raha hafa koa.43Loza ho anare ry Fariseo, fô tianare ny pilasy vôlôhany amin'ny synagoga sy ny fiarahabagna feno fagnajana anare a bazary. 44Loza ho anare, fô anare de karan'ny fasagna tsisy famantaragna zay hidiavin'Ôlogna fa tsy fantany zagny.45Ny raika taminjare mpampianatra lalàgna nivôlagna taminanjy hoe: "Mpampianatra o, zegny lazainô zegny de manaivataiva anay koa.'' 46Jesosy nivôlagna hoe: 'Ho anare, ry papiana-dalàgna ! Fô mampitôndra ainta-mavaisatra tsy zakan'ôlo anare, naifa tsy mikasika zegny ainta-mavaisatra zegny na de ny ratsan-tagnanare raika aza.47Loza ho anare, satrià magnôrigna fasagna ho an'ire paminany anare, naifa ny razambenare no namono azy ire. 48Koa vavolOmbelogna ary magneky ny asan'ny razagnare anare, fô namono azy ire tokoàtra zare ary anare no magnôrigna ny fasagny.49Karanjeny koa, no anambaran'ny fahindriagnan'Andriamanitra hoe: 'Handaifa mpaminagny sy apostoly aminjare Zaho, ary zare hamono sy hagnenjika ny sanany amin'izy re.' 50Itô taranaka itô, zany, no ho tômpon'andraikitra amin'ny ràn'ire mpaminagny jiaby nilatsaka hatramin'ny hiforôgnan'izao tontolo izao, 51nanomboka te amin'ny ràn'i Abela ka hatramin'ny ràn'i Zakaria, zay nivonigna tagnivon'ny alitara sy ny fitoeragna masigna. Ia, volagniko marigna aminare, fa itô taranaka itô no ho tompon'antoka.52Loza ho anare ry mpampianatra lalàgnan'ny Jiosy, satrià nalainare ny fagnalahidin'ny falalagna; tsy mitsôfotra akô ny taignanare, ary sakananare, ire zay miditra.''53Tavafaran'ny nialan'i Jesosy také, de nanôhitra Ananjy ny panôra-dalàgna sy ny Fariseo ary niady hevitra taminy mikasika ny raha maro, 54sady nihaizaka ny hamandrika Ananjy tamin'ny teniny ihany.

Chapter 12

1Tamin'izegny, kôfa niara-niangogna ny vahoaka andrivony maro, baitsaka loàtra kay nifandià zare, vôlôhany indrindra de nanomboka nivôlagna tamin'ire mpianany Izy hoe: "Tandremo ny anign'ire Fariseo, zay fitsarambailatsihy.2Fô tsisy takogna zay tsivoaka, ary tsisy miafigna zay tsy ho hay. 3Kay na ino na ino volagninare akô amin'ny haizigna de regny agnatin'ny fazavagna, ary zay volagninare mangigigna de hambara ampaibemaso.4Milaza aminare Za ry kamaradiky, aza matahotra ire zay mamono ny taigna, ary avafaran'izegny de tsisy na ino na ino azony atô aikia. 5Fô hampitandrigna anare Za ny amin'izay hatahôragna. Matahôra ilay raika kôfa avy mamono, de managna fahifagna ny hagnary anare agny amin'ny helo. Ia, mivôlagna aminare Za, matahôra Ananjy.6Tsy ambidy farantsa hely ro ve ny tsitsina dimy? Kanaifa tsisy raika amin'iregny zay adigno agnatraihan'Andriamanitra. 7Fô na ny voron-dôhanare asa de voaisa dahôlo. Aza matahotra. Fô lômbolômbony tsitsina maro anare.8Ahozy Za aminare, izay jiaby magneky Za agnatraihan'ny ôlo, ny Zanak'Ôlogna ihany koà de hagneky ananjy agnatraihan'ire anjelin'Adriamanitra, 9fô zay mandà Za agnatraihan'ôlogna de ho lavigna agnatraihan'ire anjelin'Adriamanitra. 10Zay jiaby mivôlagna manôhitra ny Zanak'Ôlogna, de havaila aminy zegny, fô zay jiaby mivôlagna ratsy manôhitra ny Fagnahy Masigna kôza, de tsy voavaila zegny.11Kôfa mitôndra anare agnatraihan'ny Synagoga, ire panapaka, sy ire manam-pahifagna zare, de aza magnahy ny amin'izay ho fomba fivôlagnare, ho fiarôvan-taignanare, na izay hilazainare, 12satrià ny Fagnahy Masigna no hampianatra anare zay tôkony hilazainare amin'izegny laira zegny.''13Avake nisy ôlogna raika avy takô amin'ire vahoaka nivôlagna taminy hoe: ''Ry papianatra, volagno ny ralahiky mbô hirasa lôva aminahy.'' 14Jesosy nivôlagna taminy hoe: "Alalahitô, zôvy namaitraka Za ho mpitsara na pagnailagnailagna anare''? 15Ahozy Izy taminjare hoe: ''Miambaina mbô hitananare ny taignanare lavitra ire fagnirian-dratsy jiaby, satrià ny fiainagn'ôlo raika de tsy miankigna amin'ny fabaitsaky ny fanagnany.''16Avake Jesosy nagnano fagnoharagna raika taminjare, nivôlagna hoe: "Namoà be ny raha tan- tsabon'ny lalahy mpanadraha raika, 17zay nagnontany taigna izy, kay nivôlagna hoe: 'Ino mô ny atôko, fô tsy managna toairagna hikajiagna vokatranahy reto zaho? 18Ary aozy hoe: 'Zô raha atôko. Hirobaiko ny tragno fitoaira-vokatranahy de hagnaboatra maventiventy noho ty zaho ary aminaré no hikajianako ny vokatranay sanany. 19De hivôlagna amin'ny fagnahiko za hoe: "Ry fagnahiko, anô de managna vokatra baitsaka mikajy an-dragno maro. Mitsahara tsara, de momoàna, misotroa, mifalia."20Fô Andriamanitra nivôlagna taminanjy hoe: 'Ry lalahy adala, igniany ariva foàgna ny fagnahinô de halaiky aminao, ho anin-jôvy raha ré? 21Zaigny ny ôlogna zaigny mikajy hariagna ho an'ny taignany Ary tsy manan-kariagna manoloagna an'Andriamanitra."22Jesosy nivôlagna tamin'ny mpianany hoe: "Noho zagny de volagniko aminare, aza magnahy ny amin'ny aignanare sy zay hohaninare, na ny mômban'ny tenanare zay tafinare. 23Fô ny aigna de mihoatra noho ny raha hohanigna, ary ny taigna de mihoatra noho ny raha tafigny.24Hivero ny goaika, tsy mamafy zare na mijinja. Tsy magnana tohitra zay hikajianagna, kanaifa amian'Andriamanitra hanigna zare regny. Karanjeny karakory ny fihoaragnare noho re vôrogna! 25Zôvy aminare no afaka magnampy zehy raika amin'ny andro iaignany aminy fanahigna? 26Ke zegny raha hely be zegny aza tsy ainare atô, kay akôry anare miahiahy ny amin'ilay tavaila?27Hivero re lilia - magnano akory ny faniriny. Tsy miasa zare regny, na mamboly. Kanaifa lazaiky aminare, fô na i Solomoma tamin'ny voninahitrananjy jiaby tsambôla nagnatô regny. 28Kôfa tafin'Andriamanitra karanjany re ahitra an-tsabo, zay aké igniany, ary amaraigna de arian'Andriamanita agnaty fatagna, mihoatra lavitra noho zagny ny hampitafian'Andriamanitra anare ry hely finoagna!29Aza mizaha zay ho haninare sy zay ho sotroinare, ary aza magnahy. 30Fô reo firenegna jiaby ambon'ny tany aketo re de mizaha regny raha regny, ary fantatry Babanare fa mila anjagny anare.31Fô zaha malôka ny fanjakagny, de hamiagna ho fagnampiny ho anare ny raha jiaby. 32Aza matahotra, ry ondry vitsy, satria ny Babanare de taigna faly hagnomia anare ny fanjakagnany.33Ambidì re fanagnare ary amiazo ny mahantra. Magnanova kajiam-bôla ho an'ny taignanare zay tsy mety kôro hariagna agny andagnitra zay tsy mety lany, zay tsy tsisy mpangalatra ankilany, ary tsisy kadradraka mandratra. 34Fô agny amizay hipitrahan'ny hariagnanare, de ankagny koa fonare.35Ôka ny lamba lavanare hatônare angnadilagnare, ary ôka ny jironare hirehitra hatrany, 36ary magnanova karahan're ôlogna zay mandigny re tompony hierigna avy namonjy mariazy, mbô kôfa tônga izy kay handondogno, de hanôkatra tamiagna ananjy zare.37Sambatra ny mpanompo, zay hitan'ny tompony fô miambigny kôfa tônga izy. Volagniko marigna aminare, fo hisikigna ny lamba lavany agnandilany izy, ary hampipetraka anjare an-databatra, kay ho avy izy ary hanompo anjare. 38Kô avy aminy laira faharoa androaligny ny Tompo, na amin'ny laira fahatelo aza, kay mahita anjare vognona, de ho sambatra re mpanompo re.39Ho fagnampiny zegny de fantako zô, kô fantan'ny tômpon-tragno ny laira hatongavagn'ny mpangalatra, de tsy havailan'ny tragnony ho vakigna. 40Mivognòna koa, fa tsy fantanare ny laira hatongavan'ny Zanak'Ôlogna."41Petera nivolagna hoe: "Topmpo ô, aminay foagna no ivolagnanô zegny fagnoharagna zegny, sa amin'ôlo jiaby?" 42Nivolagna ny Tompo hoe: "Izôvy araiky no mpitantagna mahatoky sy hendry zay hitindren'ny tômpony ho ambônin're mpanompony hafa mbô hagnomia anjare ny anjara sakafonjare amin'ny fotoagna mety? 43Sambatra zagny mpanompo zagny, zay hitan'ny tômpony magnano zagny kôfa tônga izy. 44Koragniko aminare fa hi tindreny hanapaka ny fanagnany jiaby izy."45Fô kô mivôlagna ao am-pony zaigny mpanompo zaigny hoe: 'Nahisony ny tompoko ny fihiraignany,' kay manomboka mamono re mpanompo lalahy sy viavy, ary hômagna sy misotro, kay nanjary mamo, 46Ny tompon'zagny mpanompo zagny de ho avy amin'ny andro tsy ampoizigny, amin'ny laira tsy fantany, ary hanapatapaka ananjy kay hanomagnan'ny toairagna ho ananjy miarakamin're tsy mahatoky.47Zagny mpanompo zagny, nahafantatra ny sitrapon'ny tompony, kanaifa tsy niomagna na nagnano araka ny sitrapony, de hivilezigna amin'ny familaizagna maro. 48Fa zay tsy nahafantatra ary magnano zay manjary azahoagna vely ndraika, de vilezigna amin'ny familezagna hely. Fô re jiaby zay namiagna be de bebe koa no takiagna aminanjy, ary reo zay nagnankignana be, de taigna be no angahoegna aminanjy.49Tônga zaho hanipy afo ambonin'ny tany, ary karakory ny fagnirianako mbô hirihaitan-jagny malaky. 50Fô managna fagnanovam-batisa mbô hagnanovana batisa zaho, ary karakory ny fahoriako mandra-pahatantairak'izagny!51Mihevitra mô anare fô tônga Zaho mbô hitôndra fiadanagna aketo an-tany? Ahe, mivolagna aminare Za, fô fisarahagna aza. 52Manomboka zao de hisy dimy an-dragno raika hisaratsaraka, ôlogna telo manohitry ny roa, ary ôlogna roa manohitra ny telo. 53Hisaratsaraka zare, ny babany hanohitra ny zanany lahy, ary ny zanaka lalahy hanohitra ny babany; ny reny hanohitra ny zanaka vavy ary ny zanaka vavy hanohitra ny reniny; ny rafôzam-bavy hanohitra ny vinanto vavy ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafôzam-bavy."54Nivolagna tamin're vahoaka koa Jesosy hoe: "Kôfa mahita rahogna mifôrogna eny andraifagna anare, de avy hatrany anare de mivolagna hoe: 'Hisy oragn'andro ho avy,' ary de mitranga zagny. 55Kôfa misy rivotra mitsoka avy agny atsimo, de aozinare hoe: 'Hisy hafanagna be ho avy,' ary mitranga zagny. 56Ry mpiahatsaravelatsihy, haignare ny mandika ny toetoetry ny tany sy ny lagnitra, fô karakory tsy ahaizanare mamantatra zô andro avahizo zô?"57Karakory anare tsy mitsara marigna ho an'ny taignanare? 58Fô kôfa mandaiha miaraka amin'ny mpifagnandrina aminare agnantraihan'ny mpitsara ambôny anare, mbôla an-dalagna de miezahà handamina ny olagna miaraka aminanjy mbô tsy handihanany handrirotra anare amin'ny mpitsara, ary mbô tsy hanolôran'ny mpitsara anare agny amin'ny mpamatotra, ary mbô tsy handifasany anare agny am-ponja. 59Hoa zaho aminare tsy ho tafambôka akô mihitsy anare mandrapa agnifanare ny vola farany zay madinika indrindra."

Chapter 13

1Taminjany andro zagny, nisy ôlogna sasany take nivolagna taminanjy ny momba re Galiliana zay ny ràn'izy re no nafangaron'i Pilato tamin'ny sorony manôkàgna. 2Namaly Jesosy ary nivolagna taminjare hoe: "Anare mô mieritreritra fô re Galiliana re de mpanota mihoatra noho re Galiliana hafa jiaby satria nijaly karaha zaigny? 3Ahe, Zaho mivolagna aminare fô kô tsy mibaibaka anare, anare rehetra de ho foaty karanjegny.4Na regny ôlogna valo ambifôlo tao Siloama zay nilavoan'ny tikikambo kay nahafaty anjare, mievitra mô anare fa taigna mpanota ratsy mihoàtra noho re lalahy hafa tao Jerosalema regny? 5Ahe, Hoa Za. Fa anare kô tsy mibaibaka, anare jiaby koa de ho foaty."6Jesosy nagnano zao fagnoharagna zao hoe: "Nisy ôlogna nanagna kakazon'aviavy raiky namboleny tan-tsabony ary tônga izy nizaha voankazo taminanjy take naifa tsy nahita na ino na ino. 7Ilay lalahy de nivolagna tamin'ny mpagnano zaridaigna hoe: 'Indro, tônga taketo zaho aifa telo tôgna no niaizaka nizaha vihiny tamin'itô kakazo tô kanaifa tsy nahita mihintsy. Nagnino io avela handratra ny tany?'8Namaly lay mpagnano zaridaigna kay nivolagna hoe: 'Ambilay akea bôka izy amin'ny tôgna tô mandrapagnadiôvako manodidigna ananjy sy agnatôvako zezika aminanjy'. 9Koa mamoà izy amin'ny tôgna magnaraka, tsara; fô kô tsy zegny, de firaiky izy!"10Ay Jesosy nampianatra tao amin'ny raika tamin'ny synagoga nandritra ny Sabata. 11Indro, nisy viavy raika zay nanagna fagnahy ratsin'ny fahalimiagna nandritrin'ny valo ambin'ny fôlo tôgna te, ary izy de nivôkoka ary tsy nahavita nijoro tsara.12Kôfa nahita ananjy Jesosy, de nagnantso ananjy kay nivolagna hoe: "A viavy e, afaka aminô ny falimiagnanô." 13Napaitrany taminanjy take ny tagnany, ary niaraka taminjay de nahivagna ilay viavy ary nihoby an"Andriamanitra. 14Naifa ny mpanapaka ny synagoga de vinitra noho ny fahivagnana natôn'i Jesosy tamin'ilay viavy tamin'ny andro Sabata. Noho zegny de namaly ilay mpanapaka kay nivolagna tamin'ny vahoaka hoe: "Misy enin'andro zay tôkony iasagna. Tongava kay maivàgna, fô tsy amin'ny andro Sabata."15Ny Tompo namaly ananjy ka nivolagna hoe: "Ry mpiatsaravelatsihy! Tsy samy mamaha ny boriky na ny aombiny am-balananjy mô anare kay mitôndra ananjy hisotro rano amin'ny andro Sabata? 16Ary karanjeny koa itô zanakavavin'i Abrahama tô, zay voafatotr'i Satana nandritran'ny valo ambin'ny folo tôgna tô, tsy tôkony mbô hovahagna mô ny fatotrananjy amin'ny andro Sabata?"17Ary kôfa nivolagna raha jiaby zegny Izy, de maignatra zare jiaby zay nanohitra Ananjy, fa ny vahoaka jiaby ndraika de faly noho ny raha jiaby malaza natôny.18Ary Jesosy nivolagna hoe: "Karakory ny fanjakan'Andriamanitra, ary karaha ino no afaka agnoharana ananjy?" 19Zagny de karaha ny voatsinampy zay nalaigna sy nafifin'ny lalahy raika tan-jaridainany, kay nanjary kakazo maventy raiky, ary ny vôron'ny lanitra de nanamboatra ny tragnony te amin'ny rantsagnananjy re."20Mbôla nivolagna koa Izy hoe: "Ino no afaka hampitahaiky ny fanjakan'Andriamanitra? 21Zaigny de karaha masirasira zay nalain'ny viavy raika kay nafangarony tamin'ny koba in-telon'ny famaragna mandra-piparitahany ao anatin'ny koba jiaby."22Jesosy de nandaiha nitety tanàgna sy ny vohitra tsirairay tagny an- àlagna mankany Jerosalema ary nampianatra ananjy zare. 23Nisy raika nivôlagna taminanjy hoe: "Tompo, vitsy mô ny ôlogna vonjena?" Ary Aozy taminjare hoe: 24"Miadiva ny hiditra ny tamiagna mahety anare, satria, Zaho mivolagna aminare, maro no te-hitsôfotra, fô tsy afaka ny hiditra."25Kôfa mitsangana ilay tompon-tragno ary mamody tamiagna, de hijoro ivelany ake anare kay hagnokogna ny tamiagna ary hivolagna hoe: 'Tompo, Tompo, ampidiro zahay.' 26Izy hamaly kay hivolagna aminjare hoe: 'Tsy haiky anare na ny fiaviagnanare.' Ary hivolagna anare hoe: 'Nihinagna sy nisotro te alôhanô zahay, ary Anô aifa nampianatra tan-dalambenay.' 27Fô Izy hamaly hoe: 'Mivolagna aminare Za, tsy haiky zay fiaviagnanare. Mialà amina ake, anare mpagnano ratsy!'28Hisy tagny sy fikitroha-nify kôfa mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, sy ny mpaminany jiaby ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra anare, naifa anare voàroaka agny ivelany. 29Zare de avy agny antsignanana, andraifagna, avaratra, atsimo kay hipaitraka amin'ny latabatry ny fanjakan'Andriamanitra. 30Fantàro zô, re zay tsy de manan-danja no ho vôlôhany, ary re zay taigna manan-danja no ho farany."31Tafara helinjagny, nisy Fariseo sanany tônga ary nivolagna taminanjy hoe: "Mandihàna laoso ny aketo satria Heroda de te-hamono Anô." 32Jesosy nivolagna hoe: 'Mandihàna ary volagno zagny amboadia zagny hoe: 'Indro, Zaho mandroaka Demonia sy mampahivagna igniany sy amaraigna, ary amin'ny andro fahatelo de ho tratrako ny tanjoko.' 33Na ino na ino mitranga, zava-dehibe aminahy ny manohy io, amaraigna, sy ny andro hafa, satria tsy azo ikegna ny famonoagna ny mpaminagny lavitra an'i Jerosalema.34"Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminagny sy mitora-bato re zay nasaigna tagny aminare. Impiry Zaho nagniry ny hagnokogna ny zanakare kara akoho vavy magnokogna ny zanany ambany ailany, naifa tsy magniry zagny anare. 35Indro, nilaôsagna ny tragnonare. Zaho de mivolagna aminare, tsy ho hitanare Zaho ambaram-pivolagnanare hoe: "Sambatra zay avy amin'ny agnaran'ny Tompo."

Chapter 14

1Ary indray Sabata, kôfa nandaiha antragnon'ny raika tamin'ire mpitarika ny Fariseo hihinagna môfo Izy de nagnara-maso Ananjy mariny zare. 2Indro, talôhany nisy lalahy raiky zay nampijalen'ny Edema. 3Jesosy nanontany re manam-pahaizagna amin'ny lalàgnan'ny Jiosy sy re Fariseo hoe: "Manjary atô mô ny mampahivagna amin'ny andro Sabata, sa tsy manjary?"4Fô zare de nangigna. Noho zagny de niraisin'i Jesosy izy, ary nampahivagniny, de nalaifagny handaiha. 5Hoziny taminjare hoe: "Zôvy aminare manan-janaka lahy na aomby tafalatsaka agnaty lava-drano amin'ny andro Sabata no tsy hanjovy ananjy samiaraka?" 6Zare de tsisy navita nagnomia valiny an're raha re.7kôfa arakan'i Jesosy ny fomba fisafidianan-jare zay nasaigna ny toeram-boninahitra, nagnano fagnoharagna Izy, nivolagna taminjare hoe: 8"Kôfa asaigna amin'ny mariazy anare, aza mipaitraka amin'ny toeram-boninahitra, satria mety nisy ôlogna nasaigna mbola manam-boninahitra noho anare. 9Kôfa tônga le ôlogna zay nagnasa anare, de hivolagna aminare izy hoe: 'Amia an'itô ôlon-kafa itô ny toeragnanô,' ary amin-kaignatra no andihananare hamonjy ny toeragna farany ambany."10Kôfa asaigna anare, mandiàna de mipitràha amin'ny toeragna farany ambany, amzay kôfa mandalo ake Ilay ôlo nagnasa anô, de mety hivolagna anô izy hoe: 'A kamarady, miakara ambônimbôny.' Ary avake de hamiam-boninahitra anare agnatraihan're miray latabatra aminare jiaby re. 11Fa re zay manandra-taigna de hahahetry, ary zay magnetri-taigna de hasandratra."12Jesosy koa nivôlagna tamin'ilay lalahy nagnasa Ananjy hoe: "Kôfa magnomia hanigna na fagnasana anô, de aza magnasa ré kamaradinô na ré ralahinô na ré ankilanô na ré manjary magnodidigna anô, amin'ny mety agnasany anô de fagnaifan'izagny, de valiàny anô.13Kôfa magnano fagnasana anô, asaivo ny mahantra, ny managn'antsa, mandringa, ary ny jamba, 14de ho sambatra anô, satria tsy afaka hamaly anô zare. Fa anô de ho voavaly amin'ny fitsanganan'ny marigna."15Kôfa naregny raha re ny raika taminjare niray latabatra tamin'i Jesosy, de nivolagna taminanjy izy hoe: "Sambatra zay hômagna ny môfo amin'ny fanjakan'Andriamanitra!" 16Fô Jesosy nivolagna taminanjy hoe: "Nisy lalahy raika nikarakara hanim-be ary nagnasa ôlogna maro. 17Kôfa voakarakara ny sakafo, de nagnasa ny mpanompony izy hivolagna amin're zay nasaigna hoe: 'Mandosoa, fô ny raha jiaby aifa vôgnona.'18Zare jiaby de nitovy saigna ary nanomboka nagnano fialan-tsigny. Lay vôlôhany nivolagna taminanjy hoe: Nividy tsabo za, kay tôkony hivoaka za hizaha zaigny. Miala tsigny za.' 19Ary ny raika hafa nivôlagna hoe: 'Nividy aomby fôlo za ary andaiha hamantatra anjaigny. Miala tsigny za. 20Avy take nisy lalahy raika hafa nivolagna hoe: "Vao avy nagnano mariazy za, kay noho zagny de tsy afaka ny ho avy zaho.'21De tônga lay mpanompo ary nivolagna tamin'ny tompony re raha re. Avy te lay tompon-tragno vignitra kay nivolagna tamin'ilay mpanompony hoe: "Mandihàna malaky amin're andalambe sy an-dalankely aketo an-tanàgna de hindôso atô ny mahantra, ny mandringa, ny jamba, ary ny managn'antsa.' 22Nivolagna ilay mpanompo hoe: "Tompo aifa vita zay nibokoenô, fô mbôla misy toairagna foàgna.'23Aozin'tô tompony tô tamin'ilay mpanompo tô hoe: "Mandihana agny an-dalambe sy sisim-boly ary tiré zare ho avy, amin'izay ho feno ny tragnoko. 24Fô volagniko aminaré, tsisy hagnandragna ny hanignanahy re lalahy nasaigna ré."25Ary vahoaka maro no nandaiha niaraka taminanjy, ary nitodika Izy ary nivolagna anjare hoe: 26"Kô misy aminare magnatogna Anahy ary tsy mankahala ny babany, sy mamany, ny vadiny, ny zanany, re rahalahiny sy re rahavaviny, ary na ny fihaignany aza, de tsy afaka ny ho mpianatranahy izy. 27Na zôvy na zôvy tsy milanja ny kakazofijaliagny ary magnaraka Anahy de tsy afaka ny ho mpianatro.28Fô izôvy aminare, zay magniry ny hanangagna tilikambo, no tsy mipaitraka alôha ary mikajy ny fandaniana kô managna zay ilaigna hamitagna ananjy izy? 29Kô tsy zegny, kôfa namaitraka ny fototra izy naifa tsy hahavita zegny aby, de hanomboka handatsa azy reo jiaby zay mahita anzagny, 30magnano hoe: 'Io lalahy io nanomboka nanangagna kanaifa tsy nahavita aby.'31Na mpanjaka ino kô mandaiha hifanaitra amin'ny mpanjaka hafa amin'ny ady, no tsy hipaitraka alôha ary haka hevitra raha miaraka amin'ny lalahy ray aligna de afaka hiady amin'ny mpanjaka hafa zay tônga manohitra ananjy miaraka amin'ny lalahy ro aligna? 32Kô tsy zagny, kô mbôla lavitra ny tafika hafa, de mandaifa antoko izy ary mangataka fepetra ho amin'ny fihavanagna. 33Kay noho zegny, na zôvy na zôvy aminare tsy mahafoy zay raha jiaby hanagnany de tsy afaka ho mpianatro izy.34Tsara ny sira, fa kô very ny tsiron'ilay sira, ino no hiraignany mbô ho masigna ndraiky? 35Tsy misy ilan'ny tany na de zezi-tany aza. Ariam-poagna zaigny. Zay manan-tadigny mitandrignaisa."

Chapter 15

1Ary re mpamory hetra jiaby sy ny mpanota sanany de tônga tamin'i Jesosy te, mbô hitandregny Ananjy. 2Nifampimenimenigna zare Fariseo sy re mpanôra-dalàgna, nivolagna hoe: "I lalahy io de mandray mpanota, ary miara-hômagna aminjare mihintsy aza."3Jesosy nagnano zô fagnoharagna zô taminjare, nivolagna hoe: 4" Zôvy aminare, kô managna ondry zato izy ary avake very ny raika aminjare, kay tsy hagnombaila ny sivy amby sivifôlo agny an-tany efitra, ary handaiha hizaha ilay raika very mandra-pahitàny ananjy? 5Kôfa hitany zagny, de apaitrany eo agnavay ary mifaly izy.6Kôfa tônga an-dragno izy, de antsoviny aby re namany sy re mpiara-monigna aminanjy, mivolagna aminjare hoe: "Mifalia miaraka aminahy, fô hitako lay ondry ana very.' 7Karanjagny koa, mivolagna aminare Zaho, fô hisy fifaliagna agny an-dagnitra nohon'ny mpanota raika zay mibaibaka, mihoatra noho reo ôlo-marigna sivy amby sivy fôlo zay tsy mila mibaibaka.8Na izôvy no viavy zay managna farantsa kely fôlo, kô very ny farantsa raika, no tsy hamelogna jiro, hamafa ny tragno, ary hizaha amim-pahazotoana mandra-pahitàny zagny? 9Kôfa hitany zagny, de antsôviny aby re namany sy re mpiara-monigna aminanjy, kay hivolagnany hoe: 'Mifalia miaraka aminahy, fô hitako ilay farantsa kely raika zay very,' 10Karanjagny koa, Zaho milaza aminare, misy fifaliagna eo agnatraihan'ny Anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota raika zay mibaibaka."11Avy te Jesosy nivolagna hoe: "Nisy lalahy raika nanan-janaka roa lahy, 12ary ny faralahy taminjare nivolagna tamin'ny babany hoe: 'A baba a, amiavo anahy ny anjara hariagna zay tôkony ho anahy.' Ke nizarainy taminjare re ny fanagnany.13Tsy aila tafaran'zagny, lay faralahy nagnonkogna ny anjarany jiaby kay nandaiha tamin'ny firenegna raika lavitra te, ary tagny izy no nandany re haraignany jiaby tamin-ditra. 14Ary kôfa lanigny aby jiaby, de nisy silôgna be nisahely tamin'io firenegna io, kay nanomboka tagnantin'ny fahasahiragnana izy.15Nandaiha izy nikarama tamin'raika tamin'ire mponigna tao amin'io firenegna io, zay nandaifa ananjy tagny an-tsabony mbô hamahan-dambo izy. 16Te hihinagna mafy reo hanin-dambo re izy, satria tsisy ôlogna nagnomia ananjy na ino na ino.17Fô kôfa tônga saigna ilay faralahy, de nivolagna izy hoe: 'Firy amin're manompon'ny babako no managna hanigna mihoatra ny fanôka, ary zaho tô, matin-tsilôgna aketo! 18Ialako aketo kay ho agny amin'ny babako zaho, ary zaho hivolagna aminanjy hoe: "A baba, aifa nanota tamin'ny lagnitra sy tamasonô zaho. 19Tsy tôkony antsovigna hoe zanakanô aiky za; fô atôvy karaha raiky amin're mpanomponao zaho."20Noho zegny nandaiha ilay faralahy kay nankagny amin'ny babany. Kô mbôla lavitra izy, de hitan'ilay babany, ary tohigna nangoraka, kay nihazakazaka ary namihigna sy nagnôroka ananjy. 21Ilay zanany lalahy nivolagna hoe: 'A baba a, aifa nanota tamin'ny lagnitra sy te amasonô zaho. Tsy tôkony antsôvina hoe zanakanô aiky.'22Ilay babany nivolagna tamin'ny mpanompony hoe: 'Indosy malaky re akanjo faran'ny tsara kay atôvy aminanjy, ary atôvo pairatra ny tagnany, sy kapa ny hongony. 23Avake hindoso atô ilay zanak'aomby matavy, kay vony zagny. Andô antsika hagnana fety! 24Satria zanakolahy de maty, ary avahizo i velogna ndraiky. Very izy, ary avahizo io hita ndraika.' Avy te de nanomboka nikoragna zare.25Ary ilay talagn'ôlo de tan-tsambo. Kôfa tônga nagnantogna lay tragno izy, de naharegny mozika sy dihy. 26Nagnantso ny raika tamin'ny mpanompo izy ary nanontany ananjy hoe raha misy ino? 27Ilay mpanompo nivolagna taminanjy hoe: 'Nôdy andragno ny ralahinô kay nivonin'i babanare ny zanak'aomby matavy satria tônga soa aman-tsara izy.'28Vignitra ilay talagn'ôlogna, ary tsy niditra, de niboaka ny babany, ary niangavy ananjy. 29Naifa namaly ilay talagn'ôlogna ary nivolagna tamin'ny babany hoe: 'Zaha, aifa an-tôgnany maro no nanompoako anô, ary mbôla tsy nandika ny lalàgnanô zaho, ary anô tsy mbôla nagnomia na de zanak'osy nahafahako nikoragna niaraka tamin'ny kamaradiko aza, 30kanaifa kôfa tônga zanakanô lahy, zay nandritra ny fanagnanô tamin'ny mpivaro-taigna, de nivoninô ho ananjy lay zanak'aomby nafahy.'31Aozin'ilay babany taminanjy hoe: 'Zanakô, anô de miaraka aminay foagna, ary zay raha jiaby anahy de aninô. 32Kanaifa rarigny ho antsika ny mikoragna sy mifety, satria itô rahalahinô itô de maty, fô avahizo de velogna ndraiky; very izy, ary avahizo de hita ndraiky.'"
Chapter 16

1De aozin'i Jesosy tamin're mpianany hoe: "Nisy lalahy mpanan-kariagna raiky nanagna mpitantagna, ary notanterigna taminanjy fô io mpitantagna io no nandany ny fanagnany jiaby. 2Kô nampagnatso ananjy ilay lalahy mpanan-kariagna ary nivolagna taminanjy hoe: 'Ino raha regniko momba anô zegny?Magnomiaza tatitra momban'ny asa fitantagnanô, fa anô tsy afaka ho mpitandri-panagnana aiky.'3Ary ilay mpitandrim-pagnanana nivolagna tan-tsaignany hoe: "Ino re no tôkony atôko, fô magnala anahy amin'ny asa tantaniko ny tompoko? Tsy manan-kery hiasagna tany zaho, ary mainatra ny hangataka zaho." 4Fantako ny ho atôko, mbô kôfa alany amin'ny asa fitantagnako zaho, de hampandroso anahy an-tragnonjare ny ôlogna.'5Avy te lay mpitan-draharaha nanantso ny tsiraikiraiky tamin're mpitrôsan'ny tompony, de nanontany lay voalohany izy hoe: 'Otrino no anagnan'ny tompoko aminô?' 6Nivolan'izy hoe: 'Mainaka oliva zato litatra.' Nivolagna taminanjy izy hoe: 'Raiso ny taratasinô, mipitraha malaky, ary dimampôlo soratagna.' 7Ary avake ilay mpitantagna nivolagna tamin'ny raika hoe: 'Otrino ny trosanô?' Nivolagna izy hoe: 'Vary zato famaragna.' Nivolagna taminanjy izy hoe: 'Raiso ny taratasinô, ary soraty hoe valopôlo.'8Avy te lay tompo de nidaira lay mpitantagna tsy marigna satria niasa tamin-kafetsiagna izy. Fa taigna fetsy ny zanak'izao tontolo izao ny amin'ny fifagnarahagna amin'izy samy ôlogna noho ny zanaky ny fahazavagna. 9Mivolagna aminare Zaho, mitadiava namagna amin'ny alalan'ny vola tsy marigna, amin'izay kôfa lany zagny, de ho raisin'izy re amin'ny fonegnana mandrakizay anare.10Zay mahatoky amin'ny faran'ny hely de mahatoky amin'ny be koa, ary zay tsy marigny amin'ny tena hely de tsy marigny amin'ny be koa. 11Kô tsy mahatoky amin'ny fampiasagna vola tsy marigny anare, zôvy no hatoky anare amin'ny hariagna marigna? 12Kô tsy mahatoky amin'ny fampiasagna ny vôlan'ny ôlo-kafa anare, zôvy no hagnomia vôla ho anare manokagna?13Tsisy mpanompo afaka manômpo tompo ro, fô na izy tsy tià andraika de tià ny raikia, na koà hanôlo- taigna ho andraika de hagnano tsisy dikany lay hafa. Tsy afaka manômpo an'Andriamanitra sy ny hariagna anare.''14Ary ny Fariseo, zay tià vôla, kôfa naregny zegny raha zegny, de nagnamavo Ananjy zare. 15Nivôlagna taminjare Izy hoe: "Anare de magnamarigna ny taignianare alôhan'ôlo, fô Andriamanitra mahay ny fônare. Fô zay hambonesigna agnatraihan'ôlo de ratsy agnatraihan'Andriamanitra.16Ny lalàgna sy ire mpaminany de nisy mandra- paviàn'i Jaona. Aifa hatramin'izegny fotoagna zegny, no aifa nitoriagna ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny tsiraikaraika de nihaizaka nagnitsy ny diàny ho amin'izegny. 17Fô môramôra kokoà ny hahafoagna ny lagnitra sy ny tany noho ny sôratra hely be akô amin'ny lalàgna ho tônga tsy manan-kery.18Zay misaraka amin'ny vadiny kay mamokatra viavy hafa de mijangajanja, ary zay aifa nisara-bady de mijangajanga.19Ary panan-kariagna raika zay nagnatô vôloparasy sy rongony manify ary nankafy isan'andro ny harem-beny. 20Nisy mpangataka raika antsôvigna hoe Lazarosy nipaitraka tamin'ny vavahadiny, vay foàgna, 21ary nagniry mbô hihinagna zay latsaka avambôny latabatr'ilay lalahy ngetroka. Fô na ny kiva aza tônga milailatra ny vainy.22Ary de samy maty zare ro, de ilay mahantra nindôsin'anjely tankilan'i Abrahama. Naty foàgna koà lay mpanan-kariagna ké nariagna, 23ary takô amin'ny fahaverezagna, de nanandratra ny masony izy ké nahita an'i Abrahama tegny alavitra sy Lazarosy také ankilany.24Kay niàka mafy izy sy nivôlagna hoe: 'Abrahama Baba, mamindrà fo aminahy ary asaivo Lazarosy, mbô handrobohany ny tendron'ny rantsan-tanany ao anaty rano hely ampangatsiatsiaka ny lailako, fô mijaly mafy za akato may.25Fô Abrahama nivôlagna hoe: 'Anaka, aza adignonô fô ana aifa nahazo zavatra tsara ianao, naifa ny an'i Lazarosy kosa zavatra ratsy. Fô avaizo ndraiky izy no voatambitamby, mbô anjaranô ndraiky mijaly. 26Fô akoàtr'izégny jiaby izégny, de misy lavaka be, mbo tsy afaka hiampita izay te-hiampita avy ety mankeny aminareo, ary tsy misy afaka hiampita avy eny hankety aminay.'27Lay lalahy ngetroka nivôlagna hoe: 'Miangavy anô za, ry Abrahama Baba, mbô asaivo zalahy ho agny aminay _ 28fô managna ralahy dimy za_ mba afahany mampitandrina anjare, nohon'ny tahotra ny hatongavagn'izy ireo ato amin'ito pilasin'ny fijaliana ito koa."29Fô nivôlagna Abrahama hoe: 'Managna an'i Mosesy sy ny mpaminany zare; ôka zare hitandregny azy ire.' 30Ary namaly ilay lalahy ngetroka hoe: Tsia, ry Abrahama Baba, ra misy avy take amin'ny maty mankany aminjare, de hibaibaka ire. 31Fô Abrahama kôza nivôlagna taminy hoe: 'Ra tsy mihaino an'i Mosesy sy ireo mpaminany zare re, de tsy ho resy lahatra mihitsy na misy ôlo mitsangagna amin'ny maty aza.'''

Chapter 17

1Jesosy nivôlagna tamin-jare mpianany hoe: "Azo antoka fô hisy raha hafa hanôsika antsika hanota, fô loza ho an'ny ôlogna zay hiaviany zagny! 2Taigna tsara aminanjy kô agnatôvagna vatobe agnam-bôzony kay hatsipy agny an-andranomasigna, toy zay hatafitohigna ny raika amin're madinika ré.3Mitandraima anaré. Kô manota ny ralahinare, volagno mafy izy, ke mibaibaka izy, mamilà ananjy. 4Kô manota aminô impito agnatin'ny andro raiky izy, kay impito miverigna aminô izy, mivôlagna hoe: 'Mibaibaka zaho,' de tsy maintsy mamaila ananjy anô!"5Ire apostoly nivôlagna tamin'ny Tompo hoe: "Ampitomboe ny finoagnay." 6Ny Tompo nivolagna hoe: "Kô managna finoagna karaha voatsinampy anaré, de afaka mivôlagna amin'ny voaroihazo io hoe: 'Miavôta, ary magniria agny an-dranomasigna,' de hagneky anaré izy.7Fô zôvy aminaré, mô no managna mpanompo miasa tany na mpiambigna ondry, kay hivôlagna aminanjy kôfa tônga avy agny agnatiala izy hoe: 'Avia malaky kay mipitraha mbô hihinagna'? 8Fô tsy hivôlagna aminanjy mô izy hoe: 'Karakaray raha hioaniky, kay atôvo saintiry magnodidigna ny lambanô de manompoà anahy mandrapahalanin'ny hanignànahy sy fisotroàgnanahy. De avaké anô hômagna sy misotro'?9Tsy misôtra lay mpanompo izy satrià nagnano ré zay nibokoeny ananjy izy, sa misôtra izy vô? 10Na de anaré koà aza, kôfa nahavita ré raha jiaby zay nandidiany anaré ré, de tôkony hivôlagna hoe: 'Zaihay de mpanompo tsy manjary. Zay tôkony natônay foàgna no natônay.'''11Ary kôfa nandaiha tagny Jerosalema Izy, de nadaiha tamôron-tany tagnailagnailan'i Samaria sy Galilia. 12Kôfa niditra tô amin'ny tanàgna raika izy, de nisy boka fôlo lahy nitrôtra taminanjy tô. Nitsangagna lavitra Ananjy zare 13ary nanandratra ambôny ny feonjare zare, kay nivôlagna hoe: "Jesosy, Tompo o, mamindrà fo aminay.''14Kôfa nahita anjare Izy, de nivôlagna tamin-jaré hoe: "Mandihana de ampizahà anjaré ny mpisorogna ny taignanaré.'' 15Kôfa lasagna igny zare de nadi. Kôfa nahita ny raika tamin-jare zaré fô nahivagna izy, de niherigna, niaraka tamin'ny feo avo ary nankalaza an'Andriamanitra. 16Niankôhotra tan-tongon'i Jesosy izy, nanôlotra fisôragna ho Ananjy. Izy de Samaritana.17Ary Jesosy nivôlagna hoe: "Tsy aifa nadi mô izy fôlo? Fô akaiza ny sivy? 18Tsisy hafa niherigna hagnomià voninahitra an'Andriamanitra vô, afa- tsy tô vahiny tô? 19Ary Aoziny taminy: "Mitsangàna, kay mandihana. Ny finoàgnanô no nampahivagna anô.''20Kôfa nagnontanian-njaré Fariseo hoe raha oviàgna mô ny fanjakan'Andriamanitra no tônga, de namaly ananjare Jesosy kay nivôlagna hoe: "Tsy taza- maso ny fiaviàn'ny fanjakan'Andriamanitra. 21Tsy hivôlagna koà zare hoe: 'Irôko ilai izy!' Fô Indro, ny fanjakan'Andriamanitra de agnatinare.''22Hoy izy tamin'ire mpianatra: "Avy ny andro hagniriànare ny ahita andro raika amin'ny andron'ny Zanak'Ôlogna, fô tsy ahita zaigny anaré. 23Ary zare de hivôlagna aminjaré hoe: 'Zahà arô, zahà atô!' Fô aza miboàka na magnenjika aninjare, 24fô karaha tselatra mangilatra mazava kôfa mitaratra avy agny amin'ny hilan'ny lagnitra kay zisika agny amin'ny ilany raika, de karanjany ny Zanak'Ôlogna amin'ny androny.25Fô vôlohany de tsy maintsy hijaly amin'ny raha maro Izy ary ilazin'ny taranaka tô. 26Karaha zay nitranga tamin'ny andron'i Noa, no hiseho koà amin'ny andron'ny Zanak'Ôlogna. 27Nihinagna zare, nisotro, nanambady, natôlotra ho ampakarigna, mandra- piaviàn'ny andro zay nidiran'i Noa tamin'ny sambofiara ary tônga ny Safo-drano kay nandringagn'ôlo jiaby.28Karaha izay nitranga tamin'ny andron'i Lota nihinagna sady nisotro izy ré, nividy sy nivarotra, namboly sy nagnano trano. 29Fô tamin'ny andro zay nivoahan'i Lota avy tagny Sodoma, de afo sy solifara no nilatsaka avy tagny an-dagnitra kay nandringagna ananjy jiaby.30De karan-jagny koà ny amin'ny hisehoàn'ny Zanak'Ôlogna. 31Amin'izaigny andro zaigny, aza availa hirôrogna halaka ire aitagnananjy ho ivailan'ny tragno zay agny amin'ny tômpon-tragno; ary aza availa hierigna zay agny an-tsabo.32Tsarôvo ny vadin'i Lota. 33Na izôvy na izôvy zay mizaha hamonjy ny aignany de hahavery ananjy, fô na izôvy na izôvy hahavery ny aignany de hamonjy ananjy.34Milaza aminareo Aho, fa amin'izany alina izany dia hisy olona roa eo ambonin'ny fandriana iray. Ny iray dia horaisina, ary ny iray ho avela. 35Ary hisy roa vavy miara-mitoto vary. Ny anankiray ho raisina, ary ny anankiray ho avela." 36[Fanamarihana: ireo fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny andininy faha 36 hoe: "Hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray ho raisina, ary ny anankiray ho avela."] 37Nanontany Azy izy ireo hoe: "Aiza, Tompo?" ary Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Izay hitoeran'ny faty, dia any koa no hisy votoro hiara-miangona."

Chapter 18

1Avake Izy nilaza fagnoaragna taminjare ny momba ny tôkony hivavahanjare isanan'andro, ary tsy ho kaitraka, 2nivôlagna hoe: "Tamin'ny tanàgna raika de nisy mpitsara zay tsy natahotra an'Andriamanitra ary tsy nagnaja ôlo.3Nisy mpitôvo raika tamin'io tanàgna io, ary izy nandaiha aminanjy matetika, kay nivôlagna hoe: 'Ampià za mbô hazahoako rariny manoloagna ny favaloko. 4Fô aifa haila izy no tsy vôgnona hagnampy ananjy, fô tavafarahelin'izegny de nivôlagna izy hoe: 'Na de tsy matahotra an'Andriamanitra aza za na tsy magnaja ôlo, 5fô satrià mandrairaka za itô viavy mitôvo itô, de hagnampy ananjy za mbô hazahoany rariny, mbô tsy hiraignany lava atô.6Avake nivôlagna ny Tompo hoe: "Tandrignaiso zay ambaran'ilay mpitsara tsy marigna. 7Ary tsy hitôndra rariny ho an'izay voafidiny zay magnantso mafy Ananjy andro aman'aligna koa ve Andriamanitra ? Hangatak'andro lava aminjare ve izy? 8Volagniky aminare fô hitôndra rariny malaky aminjare izy. Karanjegny koà, kôfa tônga ny Zanak'Ôlogna, hahita finoagna ambônitany ve izy ?''9Avake koà Izy nivôlagna zô fagnoaragna zô tamin'ny sanagny zay natoky ny taignanjare fô hoe marigna sy zay manaivataiva ire ôlo hafa: 10"Nisy rolahy niaraka tan-tempoly mbô hivavaka _ ny raika de Fariseo ary ny raika mpamory hetra.''11Lay fariseo nitsangagna ary nivavaka ireto raha momban'ny taignany ireto hoe: 'Andriamanitra ô, misôtra Anô za fô tsy mitovy amin'ôlon-kafa _ mpangalatra, ôlo tsy marigna, mpijangajanga _ na karaha itô aza. 12Mifady hanigna indro isan-kerinandro za. Magnamià apafôlokarena za.'13Fô lay mpamory hetra, nitsangagna lavitra, kay nizaha lagnitra de nivôlagna hoe: "Andriamanitra ô, mamindrà fo aminahy, mpanota.' 14Mivôlagna aminare Za, io lalahy io de niherigna nitsôfotra tandragnony voamarigna noho lay raika, satrià zay mandra-taigna de hahetra, fô zay magnetri-taigna no hasandratra.''15Ny ôlo koà de nitôndra ny zanagny hely taminy mbô hitahany zegny ire mpianatra, de nivôlagna mafy azy ire. 16Fô Jesosy nagnantso azy ire hagnatogna Ananjy, nivôlagna hoe: "Avilay ny zaza hagnatogna Za, ary aza raragna zare. Fô karananjy ire ny fanjakan'Andriamanitra. 17Volagniky marigna aminare, na zôvy na zôvy tsy kara io zaza tô de tsy hahazo zegny fanjakan'Andriamanitra zegny mihitsy.''18Ary nisy mpanapaka raika nagnontany Ananjy hoe: "Mpampianatra tsara ô, ino no tsy maintsy hatôko mbô handovako ny fiainagna mandrakizay?'' 19Jesosy nivôlagna taminy hoe: "Nagnino Za antsôvinô hoe tsara? Tsisy ôlo tsara, afa-tsy Andriamanitra raika ihany. 20Hainô ire didy_Aza mijangajanga, aza momono ôlo, aza miditra vavolambelogna mandaingia, magnaja babanô sy mamanô.'' 21Nivôlagna lay mpanapaka hoe: "Ra jiaby zegny de aifa nitandraimako nanômboka za tanora.''22Kôfa naregny zegny Jesosy, de nivôlagna taminy hoe: "Ra raika no tsy ampy aminô. Ambidy ny fanagnanô zaray amin'ny mahantra ary hanagna hariagna agny an-dagnitra anô_ ary avià, agnaraka Za.'' 23Fô kôfa naregny zegny lay mpanapaka, de nanjary nalahelo mafy, fô nanan-draha be izy.24Ary Jesosy, nahita ananjy nalahelo mafy [Fagnamarihagna: Ire manam-pahaizagna de misara-kevitra ra tôkony ampidirigna aketo hoe :[Izy] de nanjary nalahelo mafy. Ampitovio ny And 23] ary nivôlagna hoe: "Magnakôry ny fasarôtan'ny fidiragna akô amin'ny fanjakan'Andriamanitra ho an'ire zay mpanambôla! 25Fô môramôra kokoà ho an'ny ramaiva ny hitsôfotra amin'ny vodim-pilo, noho ny hidiran'ny mpanambôla akô amin'ny fanjakan'Andriamanitra.''26Ire zay naregny de nivôlagna hoe: "Izôvy ariky no afaka vonjegna?'' 27Jesosy namaly hoe: "Ire raha zay hain'ôlogna de hain'Andriamanitra.''28Petera nivôlagna hoe: 'Indro, nagnombaila ny raha jiaby zaihay ary nagnaraka anô.'' 29Ary Jesosy nivôlagna hoe: "Volagniky marigna aminare, fô tsisy ôlo zay nafoe tragno, na vady, na ralahy, na ray aman-dreny, na zanaka, nohon'ny fanjakan'Andriamanitra, 30zay tsy hahazo be kokoà amin'itô, tontolo itô ary amin'ny andro ho avy, de fiainagna mandrakizay.''31Kôfa avy nagnangogna ny rombifôlo lahy te Aminy Izy, de ahoziny taminjare hoe: "Indro, miakatra ho agny Jerosalema antsika, kay ra jiaby ire zay voasôratr'ire mpaminany momban'ny Zanak'Ôlogna de ho tantairaka. 32Fô hatôlotra amin'ire Jentilisa Izy, kay himohaizagna, sy halagna baraka, ary androragna. 33Afaran'ny hamilaizagna Ananjy, de voninjare Izy ary amin'ny andro fatelo de nitsangagna ndraiky Izy.''34Tsy hainjare na ino na ino tamin'ire raha ire, ary nafeniny taminjare ire volagna zegny, ke tsisy azonjare ire raha izay novolagnina.35Ary ra narivo an'i Jeriko i Jesosy, de nisy lalahy jamba raika nipaitraka tan-tsisin-dalagna, nagnatogna, 36ary ra naregny ny vahoaka nandalo, de nagnontany zay ra nitranga izy. 37Nilaza taminy zare hoe nandalo take Jesosy avy agny Nazareta.38Koa nagnantso mafy ilay lalahy jamba, nagnano hoe: ''Jesosy, Zanak'i Davida, mamindrà fo aminahy.'' 39Fô ire zay nandaiha talôha de nivôlagna mafy i lalahy jamba io, kay nivôlagna taminy mbô hangignia. Fô izy vô maika nagnantso mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida, mamindra fo aminahy.''40Jesosy nijanogna ary nagnasa mbô hitondragna ilay lalahy aminanjy. Ary kôfa tankilany ilay jamba, de nagnontany ananjy Jesosy hoe: 41"Ino no tiànô hotôko ho anô?'' Nivôlagna izy hoe: ''Tompo, tiàhita za.''42Jesosy nivôlagna taminy hoe: ''Mahirata. Ny finoagnanô no nasitragna anô.'' 43De nahita tampoka te izy ary nagnaraka Ananjy, nagnamia voninahitra an'Andriamanitra. Ny ôlo jiaby, kôfa nahita zegny, de nanôlotra fideragna ho an'Andriamanitra.

Chapter 19

1Niditra Jesosy ary nandalo an'i Jeriko. 2Indro, nisy lalahy zay nantsôvigna hoe Zakaiosy te. Izy de sefon'ny mpamory hetra sady nanan-kariagna.3Nihaizaka ny hahita izy hoe zôvy Jesosy zegny, naifa tsy afaka nahita takô agnaty vahoaka, satrià fohy izy. 4Koa niazakazaka izy nandaiha alôhan'ire ôlo de nagnanika kakazon'aviavy raika mbô hahita Ananjy, satrià handalo amin'izegny lalagna zegny Jesosy.5Nony tônga tamin'ilay toeragna Jesosy, de niandrà Izy kay nivôlagna taminy hoe: "Ry Zakaiosy, mirirôgna malaky fô handaiha andragnognô Za niany.'' 6De nirôrogna malaky izy ary nandray Ananjy tamim-pifaliagna. 7Kôfa nahita zegny ôlo jiaby, de nitaraigna dahôlo, de nivôlagna hoe: "Niditra hamangy lalahy zay mpanota Izy.''8Nitsangagna Zakaiosy kay nivôlagna tamin'ny Tompo hoe: "Ny antsasaky ny fanagnako amiako ny mahantra, ary ra nisy rah'ôlo nalaiky tsy amin'ny rariny de hifaiky hinaifatranigny.'' 9Jesosy nivôlagna taminy hoe: ''Igniany de tônga akato ny famonjiagna, satrià izy koà mbô Zanak'i Abrahama. 10Fô ny Zanak'Ôlogna de tônga mbô hitady sy hamonjy ny very.''11Ra naregny raha zegny zare, de nanohy nivôlagna Izy ary nagnano fagnoaragna raika, satrià aifa nariny Jerosalema Izy, ary zare nieritreritra fô hiseo tampoka ny fanjakan'Andriamanitra. 12Noho zegny Izy de nivôlagna hoe: ''Nisy tandapa raika nandaiha tagny an-tany lavitra mbô hahazo fanjakagna ho an'ny taignany ary hierigna avake.13Nagnantso fôlo lahy tamin'ire mpanompony izy, ary nagnamia farantsa fôlo azy ire, ary nivôlagna taminjare hoe: 'Magnanôva mivarôta mandra-piaviako.'' 14Kanaifa ire vahoakany tsy tià ananjy ary nagnondaifa solontaigna nagnaraka ananjy, nivôlagna hoe: 'Tsy lainay ny hanjakan'io lalahy iaketo aminay.' 15Ary kôfa niherigna ndraiky izy, avy nandray fanjakagna, de nandidy ire mpanompony zay namiany vôla mbô agnatogna ananjy izy, mbô hafantarany zay tômbony azonjare tamin'ny fivarôtagna.16Tônga tagnatraihany voalôhany, nivôlagna hoe: 'Tompo, ny farantsanô de nahazo tômbony farantsa fôlo mihoatra.' 17Nivôlagna ananjy lay tandapa hoe: 'Tsara zegny, ry manômpo tsara. Noho anô natoky tamin'ny hely, de ho tendregnia ho mpanapaka amin'ny tanàgna fôlo anô.18Tônga lay faro, nivôlagna hoe: 'Ny farantsanô tompo, de nahazo dimy.' 19Ary nivôlagna taminy ilay tandapa hoe: 'Hanapaka amina tanàgna dimy anô.'20Tônga ny raika hafa nivôlagna hoe: 'Tompo, indro ny farantsanô, zay namianô za nakajiky tsara tagnatilamba, 21fô natahotra anô, za satrià lalahy masiaka anô. Kay malaka zay tsy napaitrakanô, ary misangotra zay tsy nambolenô.'22Nivôlagna lay tandapa hoe: 'Amin'ny teninô manôkagna no hitsarako anô, ry mpanompo ratsy fagnahy. Fantanô fô za de lalahy masiaka, malaka zay tsy napaitrako, ary misangotra zay tsy namboleky. 23Kay nagnino tsy napaitrakanô tamin'ny banky ny vôlako, kay kôfa niherigna za de nalaka ananjy niaraka tamin'ny zanagny ?'24Lay tandapa nivôlagna tamin'ire zay nitsangagna tankilany hoe: 'Alà aminanjy ny farantsa, ary amià lay managna farantsa fôlo.' 25Ary ahozy zare taminy hoe: "Tompo, managna farantsa fôlo izy.'26Izôvy mivôlagna aminare, fô zay managna de hamiagna mihoatra, fô zay tsisy, de zay anagnany de halaigna. 27Fô ire favaloko, de ire zay tsy nagniry za hanjaka aminjare, indôso atô zare ary vony aketo agnatraihako.'''28Kôfa avy nivôlagna an'ire raha ire izy, de nandaiha talôha, niakatra ho agny Jerosalema.29Ary nony tônga nariny Betifaga sy Betania Izy, tamin'ny tanety antsôvigna hoe Oliva, de nagniraka ny ro tamin'ire mpianany Izy, 30nivôlagna hoe: ''Mandiana agny amin'ny tanàgna magnaraka. Kôfa miditra anare, de hahita zana-boriky raika mbôla tsy nitikinagn'ôlo. Vaha zegny de indôso atoe. 31Ra misy magnontany anare hoe: Nagnino vahanare io?de volagno hoe: 'Misy raha ilàn'ny Tompo ananjy.'32Ire zay nirahignia de nandaiha ary nahita lay zana-boriky araka ny nivôlagn'i Jesosy taminjare. 33Kô také am-pamahagna ny zana-boriky zare, de ahozy tômpiny taminjare hoe: ''Nagnino vahanare ny zana-boriky?'' 34Nivôlagna zare hoe: "Misy ra ilàn'ny Tompo ananjy.'' 35Nindôsinjare tagny amin'i Jesosy zegny, ary napaitrakan-jare tambôn'ny zana-boriky ny lambany ary namaitraka an'i Jesosy tambôniny. 36Ra nandaiha igny Izy, de nivilarinjare tan-dalagna ny lambanjare.37Ary kôfa narivo an'ilay toeragna firirôgnana amin'ny Tendrombohitr'Oliva Izy, de nanomboka nifaly ire mpianany maro be ary nidaira an'Andriamanitra tamin'ny feo mafy nohon'ny asa be zay hitanjare, 38nivôlagna hoe: ''Deraigna anie ny mpanjaka zay avy amin'ny agnaran'ny Tompo! Fiadanagna agny an-dagnitra ary voninahitra agny amin'ny avo indrindra!''39Ny Fariseo sanagny tamin'ny vahoaka de nilaza taminy hoe: ''Mpampianatra ô, volagno mafy ire mpianatranô.'' 40Namaly Jesosy ary nivôlagna hoe: ''Lazaiky aminare, marigna fô ra mangignia ire, de ny vato ndraiky hivôlagna.''41Kôfa nagnatogna ny tanàgna Jesosy, de nitomoagny ananjy, 42nivôlagna hoe: ''Ra mbô Fantako amin'izô andro izô, anô, ire raha zay mitôndra fiadanagna ho anô! Naifa avaizo iregny de miafigna amin'ny masonô.43Fô avy aminô ire andro, zay hananganan'ny favalonô fefy magnodidigna anô, ary hagnodidigna anô, ary hanery anô, amin'ny lafiny jiaby. 44Zare de handavo anô amin'ny tany miaraka amin'ny zanakanô. Tsy hamaila na de vato raika mifampitikina aza zare, satrià anô tsy nafantatra izegny fony Andriamanitra nihaizaka ny hamonjy anô.''45Nitsôfotra tan-tempoly Jesosy ary nanomboka nandroàka ire zay nivarotra, 46nivôlagna taminjare hoe: 'Ny tragnoko de natô fivavahana,' fô anare kôza nagnano ananjy ho tragnon-dahalo.''47Koà de nampianatra isan'andro tan-tempoly Jesosy. Ire lohan'ny mpisorogna sy ire mpanôra-dalagna ary ire mpitarika ny vahoaka de nitady hamono Ananjy, 48fô tsy nahita fomba hagnanôvagna zegny zare, satrià nazoto nitandregny Ananjy dahôlo ny vahoaka jiaby.
Chapter 20

1Ary andro raiky, kô nampianatra ny vahoaka tô amin'ny tempoly Jesosy ary nitory ny filazantsara, de nagnatogna Ananjy ré lohan'ny mpisorogna sy mpanôra-dalàgna niaraka taminjare lôhôlogna. 2Nivôlagna zare, nagnano taminanjy hoe: "Volagno aminay hoe fahifagna inô no hagnanovanô ire raha ré? Na koà izôvy no nagnamia anô zô fahifagna zô?"3Namaly Izy ary nivôlagna hoe: "Izaho koà de hamaitraka fagnotaniagna aminaré. Volagno Aminahy ny mikasika 4ny batisan'i Jaona. Zagny mô avy agny an-dagnitra sa avy amin'ôlombelogna?''5Niady hevitra zare, nivôlagna hoe: ''Kô mamaly antsika hoe: 'Avy agny andagnitra' de hivôlagna Izy hoe: 'Kay magnino anaré no tsy mino Ananjy?' 6Fô kô mivôlagna antsika hoe: ''Avy amin'ôlombelogna,' de hitôra-bato antsika ny vahoaka jiaby, satrià zare ré de resy lahatra fô i Jaona de mpaminagny.''7Noho zaigny de namaly zare fô tsy fantanjare zay naviàny. 8Jesosy nivôlagna taminjare hoe: ''Zaho koà tsy hivôlagna aminaré zay fahifagna hagnanovako zô raha jiaby zô.''9Nivolagniny tamin'ny vahoaka zô fagnoaragna zô: "Nisy lalahy raika nagnano tanim-boaloboka, nampagnôfa zaigny tamin'ny mpambôly voaloboka, ary nandaiha tagny amin'ny firenegna hafa nandritra ny fotoagna maharitra. 10Tamin'ny laira voatôndro de nandaifa mpanompo izy ho agny aminjare mpambôly voaloboka, fô tôkony hagnomia ananjy vokatr'ilay voaloboka zare. Nivilezin'ire mpambôly anaifa izy, ary nalaifany niherigna tagnam-pôlo.11Avy te de nandaifa mpanompo hafa ndraiky izy ary mbôla nivileziny koà, nalàny baraka, ary nalaifanjare tagnam-pôlo koà . 12Mbôla nandaifa fagnintelony izy ary natônjaré naratra koà sady niroàsiny.13Noho zaigny de nivôlagna ny tômpon'ilay tanim- boaloboka hoe: 'Ino hatôko? Halaifako agny ny zanako lahy tsy foeky. Mety mbô hajainjare izy.'' 14Fô kôfa tazanjare izy, de nifampi-vôlagna zare hoe: 'Iró lay mpandôva. Ndô hivonintsika izy, mbô ho lasantsika ny lôva.'15Niroahin-jare niala také izy ary nivoninjare. Ino Ary no hatôn'ilay tômpon'ilay tanim-boaloboka aminjaré? 16Ho avy izy ary hamotika ire mpambôly voaloboka, ary hagnomia ilay tanim-boaloboka ho an'ny hafa.'' Kôfa naregny zagny zare, de nivôlagna hoe: "Sagnatria amin'Andriamanitra!''17Fô nizahànjare Jesosy, nivôlagna hoe: "Ino ny hevitr'ilay voasôratra hoe: 'Ny vato zay nilavin'ny mpagnano tragno no tônga fehizoro?' 18Ny tsiraikiraikia zay lavo tamin'ny vato io de harotidrotika. Fô na iza na iza hianjerany, dia ho potika.''19De nitady hisambotra Ananjy tamin'io lera io reo mpanora-dalàgna sy reo mpisorogna, fô fantan-jaré fô nivolagniny io fagnoharagna io hanohitra anjare. Kanaifa natahotra ny vahoaka zare. 20Tam-pandinihagna Ananjy tsara, de nandaifa mpitsikilo magnambara ho marigna zare, mbô hahafahan-jaré mahita tsigny amin'ny raha volagniny, kay hanolotra Ananjy eo amin'ny fanapahagna sy ny fahefan'ny governora.21Nagnontany Ananjy zare, nivôlagna hoe: "Mpampianatra ô, fantanay Anô fô mivôlagna sy mampianatra am-pahamarignana, ary tsy voasarikin'ny hevitr'izôvy na izôvy, fô anô de mampianatra ny fahamarignana mômban'ny lalagn'Andriamanitra. 22Ara-dalàgna ho anay mô ny mandôà hetra amin'i Kaisara, sa tsia?"23Fô Jesosy de nahatakatra ny hafitsiagnan-jaré, ary nivôlagna tamin-jaré Izy hoe: 24"Magnatoroà denaria raika Aminahy. Anjovy io sary io sy agnaragna aminanjy io?" Nivôlagna zare hoe: "An'i Kaisara."25Aoziny taminjaré hoe: "Noho zagny amiavo an'i Kaisara ny raha an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra, reo raha zay an'Andriamanitra." 26Tsy nahita tsigny tamin'izay nivôlagniny te agnatraihan'ny vahoaka zare, fô de magnana tamin'ny valin-teniny kay nangigna.27Kôfa tônga taminanjy ny sanany taminjaré Sadoseo, re zay nivôlagna fô tsisy fitsanganagna amin'ny maty, 28Nagnontany Ananjy zare hoe: "Mpampianatra ô, Mosesy de nanôratra ho antsika fô kô maty ny rahalahin'ny lalahy raika, manam-bady, ary tsy manan-janaka, de tôkony halaka vady an'ilay vadin-drahalahiny ilay lalahy, ary hanomia zanaka ho an'ny rahalahiny.29Nisy mpirahalahy fito ary ny vôlôhany nanam-bady, ary maty tsy nanan-janaka, 30ary ny faharoa koa karanjegny. 31Nampakatra ananjy ny fahatelo, ary karanjegny aby izy fito samy tsy nanan-janaka, ary maty. 32Tafaran-jagny de maty koa lay viavy. 33Amin'ny fitsanganagna amin'ny maty, ho vadinjôvy ary izy? Fô samy aifa vadin-jaré fito. "34Jesosy nivôlagna tamin-jaré hoe: "Reo zanak'izao tontolo izao de mampaka-bady sy ampakarina. 35Fô reo zay hita amin'izao andro andro izao fô mendrika handray ny fitsanganagna amin'ny maty de tsy hampaka-bady na hampakarigna. 36Tsy ho foaty eky zare, satria mitovy amin're anjely sy re zanak'Andriamanitra zay zanaky ny fitsanganagna amin'ny maty."37Fô ny maty de natsangagna, na Mosesy aza de nampiseho, teo amin'ilay toairagna zay nisy voaroy, zay nagnatsôvan'ny Tompo ho Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. 38Ary Izy de tsy Andriamanitry ny maty, fô ny velogna, satria ny velogna jiaby de Aminanjy."39Ny sanany taminjaré mpanôra-dalàgna namaly hoe: "Mpampianatra ô, namaly tsara Anô." 40Satria tsy sahy namaitraka fagnontaniagna hafa taminanjy eky zare.41Jesosy nivôlagna an-jaré hoe: "Akory no ivôlagnan-jaré fô Kristy de zanaka lahin'i Davida? 42Fô Davida taignany no nivôlagna tamin'ny Bokin'i Salamo hoe: Ny Tompo mivôlagna tamin'ny Tompoko hoe: 'Mipitraha eo an-tagnana ankavagnako, 43mandra-pagnanovako ny fahavalonô ho fitoairan-tongonô.' 44Noho zagny Davida de nagnatso an'i Kristy hoe: 'Tompo', kay akory no maha zanak'i Davida Ananjy?"45Tagnatraihan'ny ôlogna jiaby de nivôlagna taminjare mpianany Izy hoe: 46"Mitandraima amin'ny mpanôra-dalàgna, zay magniry handaiha miaraka amin'ny akanjo lava, sy tià fiarahabagna manôkagna abazary, sy seza vôlôhany agnaty synagoga, ary toairagna vôlôhany agny amin'ny fagnasagna. 47Zare koà de mandany ny tragnon're mpitondra-taigna, ary magnano vavaka lavareny ho fisehosehoàgna. Ny lalahy karanjegny de hahazo fagnamelohagna maventy be kokoà."

Chapter 21

1Jesosy nanopy maso ka nahita reo lalahy manan-kariagna zay nandrotsaka ny fanatitran-jaré tao amin'ny fandatsahan-drakitra. 2Nahita mpitondra-taigna mahantra raika nandrotsaka farantsa roa tao Izy. 3Ka oziny hoe: "Volagniko marigna aminare, itô mpitondran-taigna mahantra itô de nandrotsaka baitsaka noho zare jiaby. 4Zaré jiaby re de nagnomià fanatitra araky ny haben'ny hariagnany. Fô itô mpitondran-taigna itô, tamin'ny fahantrany, de nandrotsaka ny fivilômany jiaby."5Kô nisy maro nikoragna mômban'ny tempoly, fô voaravaka vato tsara tarehy sy fanatitra zagny, de hoy Izy hoe: 6"Fô amin'reo raha hitanare re, mbôla ho avy ny andro zay tsy hisy na vato raika aza hidôko amin'ny hafa ka tsy ho ravaigna."7Kay nagnatogna Ananjy zare, nagnano hoe: "A mpampianatra, oviagna reo raha reo no hitranga?" Ino mô hafantaragna kôfa hitranga re raha re? 8Jesosy namaly hoe: "Mitandraima" mbô tsy ho voafitaka anaré. Fô maro no ho avy amin'ny Agnarako hagnano hoe: 'Zaho no Izy,' ary aifa mariny ny fotoagna'. Aza manaraka anjare. 9Kôfa maharegny ady sy fikomiagna anaré, de aza mangôrohôro, fô re raha re de tsy maintsy hitranga alôha, fa ny farany de tsy hitranga eo noho eo."10Ary Aoziny taminjre hoe: "Ny firenegna de hitsangagna hanohitra firenegna, ary fanjakagna hanohitra fanjakagna. 11Hisy hôrohôron-tany maventy be, ary mosary sy areti-mandringagna agny amin'ny toairagna samihafa. Hisy tranga mampatahotra ary famantaragna maventy avy agny an-dagnitra.12Fô mialôhan'ire raha jiaby re, de hisambotra anare Izy re ary hangnenjika anare, hanolotra anare ao amin'ny synagoga sy ny figadragna, hitôndra anaré eo anoloan're mpanjaka sy re mpanapaka nohon'ny agnarako. 13Zany de hagnomià fahafahagna ho amin'ny fijoroanaré vavolombelogna.14Noho zegny de manapaha hevitra ao am-ponaré mbô tsy hagnomagna ny fiarovanaré mialôhan'ny fotoagna, 15fô Zaho hagnomià teny sy fahindriagna anare, zay tsy afaka toherigna sy lavin'ire mpanohitra anaré.16Fô anare koa de ho atolotry ny Ray aman-dreny, reo rahalahy, reo havagna sy reo namagna, ary zaré de hamono ho faty ny sanany aminaré. 17Ho halan'ny tsiraikiraiky noho ny agnarako anaré. 18Fô tsy hisy ho very na de singam-bolo raika eo amin'ny lôhanaré aza. 19Amin'ny faharaitanaré ny fagnahinaré.20Kôfa hitanaré voadidigna miaramila Jerosalema, de fantaro fô aifa mariny ny faharavany. 21De aoka re zay agny Jodia handositra agny an-tendrombohitra, ary aoka reo zay agny agnivon-tanàgna hiala, ary aza availa hiditra ao reo zay agny ambanivôlo. 22Fô ire no andron'ny valifaty, mbô ho tantairaka reo raha jiaby aifa voasôratra.23Loza ho anaré zay bikibo sy ho anaré mampinono aminjany andro zagny! Fô hisy fahoriagna maventy be ambôny tany, ary havigniragna amin'io vahoaka io. 24Ho lavon'ny sabatra zare ary hindôsigna ho babo agny amin'ny firenaigna jiaby, ary Jerosalema de ho voahôsihôsin'ire Jentilisa, mandrapaha-tantairaky ny andron'ny Jentilisa.25Hisy famantaragna eny amin'ny masoandro, eny amin'ny volana, sy eny amin'ny kintana, ary eto an-tany. Ho tra-pahoriagna re firenegna, hitaintaigna nohon'ny eron-dranomasigna sy re onja. 26Hisy lalahy ho toran'ny tahotra sy ny fiandrasagna re raha zay ho avy eto an-tany. Fô ho voahôzongôzogna ny herin'ny lagnitra.27Avake de ho hitanjare ny Zanak'Ôlogna tônga eny amin'ny rahogna miaraka amin'ny hery sy vogninahitra maventy be. 28Fô kôfa manomboka mitranga re raha re, de mitsangàna ary hasandrato ny lôhanaré, satria aifa mariny ny fanafahagna anaré."29Nagnano fagnoharagna taminjaré Jesosy hoe: "Zahà ny kakazon'aviavy, sy reo kakazo jiaby. 30Kôfa mamailagna re, de hitanaré manôkagna fô aifa mariny ny lôhatôgna. 31Karanjany koa, kôfa hitanaré mitranga re raha re, de fantanaré fô aifa mariny ny fanjakan'Andriamanitra.32Volagniko aminaré, marigna tikoàtra, itô taranaka tô de tsy ho foaty mandra-pisehon'Ire raha re. 33Ny lagnitra sy ny tany de ho levogna, fô ra koragniko de tsy ho levogna mandrakizay.34Fô mitandraima amin'ny taignanaré, mbô tsy ho vesaran'ny vokatry ny fisotroagna sy ny fahamamoagna ny fonaré, sy re ahiahin'ny fiainagna, kaY avake de hihidy tampoka aminaré karan'ny fandrika zagny andro zagny. 35Fô zagny de ho tônga amin'ny tsiraikiraiky zay miaigna magnairan-tany.36Fô mbô mailo amin'ny fotoagna jiaby, mivavaha mbô ho ampy hery anaré hilifasanaré re raha jiaby zay hiseho re, ary hitsangana eo anoloan'ny Zanak'Ôlogna."37Koa nandritry ny andro de nampianatra tao amin'ny tempoly Izy, ary ny aligna de nandaiha nivoaka Izy ary nidoka teo an-tendrombohitr'Oliva. 38Re vahoaka jiaby de tonga mbôla maizignizigny mbô hitandregny Ananjy tao amin'ny tempoly.

Chapter 22

1Ary aifa antomotra ny Firavoravoana amin'ny Môfo tsisy masirasira, zay antsovigna hoe Paska. 2Niady hevitra re lôhan'ny mpisorona sy re mpanôra-dalàgna ny amin'ny fomba afahanjaré mamono an'i Jesosy, satria natahotra ny ôlogna zaré.3Avy te Satana niditra tamin'i Jodasy Iskariota, zay raiky tamin're roa ambin'ny fôlo. 4Jodasy nandaiha tagny amin're lôhan'ny mpisorona sy re kapiteny ary niady hevitra taminjaré ny amin'ny fomba hamadihany an'i Jesosy eo aminjaré.5Faly zaré, ary nagneky ny hagnomià vola ananjy. 6Nagneky izy, ary nitady kendry tohigna mbô hanolôrany Ananjy aminjaré kôfa lavitry ny vahoaka.7Tônga ny andron'ny môfo tsisy masirasira, zay tsy maintsy hagnanovagna sorogna ny zanak'ondrin'ny Paska. 8Jesosy nagnasa an'i Petera sy Jaona, nagnano hoe: "Mandaihana ary homagno ho antsika ny sakafon'ny Paska, mbô afahantsika hômagna zagny." 9Zaré nanontagny Ananjy hoe: "Aiza no tianô hanagnôvanay ny fanomagnana? "10Namaly anjare Izy hoe: "Tandrignaiso, kôfa miditra ny tanàgna anaré, de hisy lalahy raika mitondra sinin-drano mitrôtro aminaré. Magnaraha ananjy amin'izay tragno idirany. 11De volagno ny tômpon-tragno hoe: 'Ny mpampianatra mivolagna aminô hoe: "Aiza ny efi-tragno fandraisam-bahiny, zay hihinanako ny sakafon'ny Paska miaraka amin'ire mpianatro?'"12Izy hagnatoro anaré efitragno ambôny etazy maventy be misy fanaka. Atôvy akô ny fagnomanagna." 13Koa de nandaiha zaré, ary nahita ny raha jiaby araka zay nivolagniny taminjaré. Ary nagnomagna ny sakafon'ny Paska zare.14Kôfa tônga ny fotoagna, de nipaitraka niaraka tamin'ire apostoly Izy. 15De nivolagna taminjaré Izy hoe: "Nagniry mafy ny hihignana itô Paska itô miaraka aminaré Zaho mialôhan'ny hijaliako. 16Fô volagniko aminaré, tsy hihinagna itô eky Zaho, mandra-pahatantairak'izagny agny amin'ny fanjakan'Andriamanitra."17De nandray kapoaka Jesosy, ary kôfa nisôtra Izy, de nagnano hoe: "Raiso itô, ary rasay aminaré. 18Fô volagniko aminaré, tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka eky Zaho, mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra."19De nandray ny môfo Izy, ary kôfa nisotra, de notapahiny zagny, ary namiàny anjaré, de nivolagna hoe: "Itô ny vatako zay amiagna anaré. Atôvy zao ho fahatsiarôvagna Anahy." 20Noraisiny karanjagny koa ny kapoàka kôfa vita ny sakafo, de Aoziny hoe: "Itô kapoàka itô de ilay fanekena vaovao amin'ny ràko, zay narotsaka ho anaré.21Fô mitandraima. Ilay raika zay hamadika Anahy de miaraka Aminahy aketo an-databatra. 22Fô ny Zanak'Ôlogna de mandaiha tikoàtra araka zay voatendry. Fô loza ho an'izay lalahy zay hamadika Ananjy zagny!" 23Nanomboka nifapagnontany zaré ny amin'iraika izay mety hagnano anjany.24De nisy fifandiragna niseho koa taminjare momba zay heverigna ho lehibe indrindra aminjaré. 25Nivôlagna taminjare Izy hoe: ''Iré mpanjakan'ny Jentilisa de tompn'izy irè, ary irè zay managna fahifagna aminjaré de atô ho karaha zay magnano tsara ho an'ny vahoakany.26Fô tsy karanjegny mihitsy ny aminire. Mifanôhitra amin'izegny, ôka zay te lehibe indrindra aminare ho lasa toy ny hely indrindra, ary ôka zay manan-danja indrindra ho tônga kara zay manômpo. 27Fô zôvy no lehibe kokoà, zay mipaitraka amin'ny latabatra, sa zay manômpo? Tsy zay mipaitraka eo amin'ny latabatra ve? Kanaifa Za akéto aminare mitovy ny raika zay manômpo.28Fô anare no ôlo zay nanohy niaraka taminahy takô amin'ny fakam-pagnahy niàtra taminahy. 29Amiako fanjakagna anare, kara Babako koa zay nagnamia fanjakagna ho Anahy, 30mbô ho afaka hihinagna sy hisotro eo an-databatranahy agny amin'ny amin'ny fanjakako anare, ary hipaitraka eo amin'ny sezy fiandrianagna hitsara ny fokon'ny Israely roambinifôlo anare.31Simona, Simona, mitandraima, mitady ny hahazo anare Satana, mbô afahany manivagna anare kara vary. 32Fô nivavaka ho anô Za, mbô tsy ho foàty ny finoagnanô.Tavafaran'ny hiraignanô ndraika, de ampaherezo iré ralahinô.''33Petera nivôlagna taminy hoe: "Tompo, vôgnona hiaraka Aminô za na agny angadrà na ho agny amin'ny fafataisagna.'' 34Jesosy namaly hoe: "Volagniky aminô, ry Petera, mbôla tsy hagneno ny akôho amin'izegny andro zegny, alôhan'ny handavanô Za intelo hoe tsy mahay Za anô.''35De nivôlagna taminjare Jesosy hoe: "Kôfa nandaiha anare tsy niaraka tamin'ny fitoeram-bôla, fitoeram-basy, na kiraro, nisy raha tsiampy anare ve?'' Namaly zare hoe: "Tsisy. '' 36De nivôlagna taminjare Izy hoe: "Fô zao, zay managna fitoeram-bôla, ôka izy hialaka zegny, na fitoeram-basy ihany koà. Zay tsy managna lefogna de tôkony hivarotra ny lambany ary hividy raika.37Fô Za mivôlagna aminare, zay voasôratra momba Za de tsy maintsy tantairaka: 'Izy de niraisignia kara raika amin'ire tsy managnara-dalagna.' Fô zay nivôlagna miàlôha momba Za de aifa ho tantairaka'' 38de nivôlagna zare hoe: "Tompo, zahà! Ireto misy lefogna roa.'' Izy nivôlagna taminjare hoe: ''Ampy Zay.''39Tafaran'ny sakafo, de nandaiha Jesosy, kara fatôny matetika, tagny an-tendrombôhitr'Oliva, ary nagnaraka Azy irè mpianatra. 40Kôfa tônga zare, de ahozy taminjare: ''Mivavaha mbô tsy hidiranare amin'ny fakam-pagnahy.''41Niala taminjare aviatrany amin'ny indray mitôra-bato Izy, de nandongalitra Izy ary nivavaka, 42nagnano hoe: "Baba ô, ra sitrakanô, de alà aminahy itô kapoàka itô. Na zegny aza tsy zay tiàko, fô zay tiànô hatôko.''43De nisy anjely avy agny an-dagnitra niseho taminy nampahery Ananjy. 44Takô agnatin'ny harariagna, nivavaka tamin-kafanam-pô mafy kokoà Izy, ary ny dignitrany de nanjary kara rà nitete tamin'ny tany.45Ary kôfa nitsangagna avy nivavaka Izy, de nanday agny amin'ny mpianatra, ary nahita azy ire nandry nohon'ny alahelonjare, 46kay nagnontany azy irè hoe: "Nagnino anare mandry? Mitsangàna ary mivavaha, mbô tsy hidiranare amin'ny fakam-pagnahy.''47Ra mbôla nivôlagna Izy, indro, nisy vahoaka niseho, niaraka tamin'i Jodasy, raika amin'iré rombifôlo lahy, nitarika azy irè. Nagnankaiky an'i Jesosy izy mbô hiôroka Ananjy, 48fô Jesosy nivôlagna taminy hoe: "Jodasy, mamadika ny Zanak'Ôlogna amin'ny ôrokave anô?"49Kôfa nahita ra-niseho irè zay nagnodidigna an'i Jesosy, de nivôlagna zare hoe: "Tompo, tôkony rantsangninay amin'ny lefogna ve zare? 50Avake ny raika tamin'iré mpianatra nampijagna ny tadignin'ny mpanompon'ny mpisôrogna be, ary tapaka ny hilany ankavanagna. 51Jesosy nivôlagna hoe: "Ampy zay!'' Nitanany ny tadigny, de nitahany izy.52Jesosy nivôlagna tamin'ny lohan'ny mpisorona, tamin'ire kapitenin'ny tempoly, ary tamin'ire lôh'ôlogna zay tônga nanôhitra Ananjy hoe: "Tônga karaha hanambotra mpangalatra mô anaré, miaraka min'ny sabatra sy langilangy? 53Tamin'Zaho niaraka taminaré tan tempoly, tsy nisambôrinaré Za. Fô zô no lairanaré, sy ny fahifan'ny hizigna."54Take am-pisambôragna Ananjy, de notarihin-jare Izy, Ary nindôsinjaré tagny an-tragnon'ny mpisoronabe. Fô Petera nagnaraka avy lavidavitra. 55Kôfa nampirehitra afo teo agnivon'ny tôkotany ary niara-nipaitraka zaré, de nipaitraka tagnivon-jaré Petera.56Nisy mpanompo viavy raika nahita ananjy nipaitraka te amin'ny fahazavan'ny afo, ary nizaha mahitsy ananjy sy nivôlagna hoe: "Itô lalahy itô koa niaraka taminanjy." 57Fô Petera nandà zegny, nivôlagna hoe: "A viavy e, tsy fantako Izy." 58Afaka kelikely de nisy ôlogn-kafa nahita ananjy, ary nivôlagna hoe: "Anô koa raika amin-jaré." Fô Petera nivôlagna hoe: "A lalahy e, zaho tsy izy."59Nony afaka adiny raika te ho eo de nisy lalahy hafa nagnizingizina sy nivôlagna hoe: "Marigna fô niaraka taminanjy koa itô lalahy itô, fô izy de Galiliana." 60Fô Petera nivôlagna hoe: "A lalahy ro, tsy haiky raha volagninô." Te no ho eo, kô mbôla nivôlagna izy, de nisy akôho nagneno.61Nitodika, ny Tompo nizaha an'i Petera, ary Petera nahatsiaro raha nikoragnin'ny Tompo, tamin'ny nivolagnany taminanjy hoe: "Alôhan'ny hagninoan'ny akôho igniany de handà Anahy intelo anô." 62Niboaka tagny ivailany Petera ary nitomoàgny mafy.63Ary lalahy re niambigna an'i Jesosy de nagnadala ary namely Ananjy. 64Natôvan-jaré sarin-dôha Izy ary nanontagny Ananjy zaré, nivôlagna hoe: "Maminanià! Zôvy lay ôlogna namely anô?" 65Nivôlagna raha hafa maro hanôhitra an'i Jesosy zaré, nagnasàha Ananjy.66Kôfa nazava ny andro, de niara-nivory re lôh'ôlogna, ny lôhan'ny mpisorona sy ny mpanôra-dalàgna. Nidôsin-jaré tagny amin'ny Synedriona Izy 67ary nivôlagna hoe: "Koa Anô no Kristy, de volagno aminay."Fô izy nivôlagna tamin-jaré hoe: "Kô volagniko aminaré, de tsy hino anare," 68ary kô hagnontany anaré Zaho, de tsy hamaly anaré.69Fô manomboka zo, ny Zanak'Ôlogna de hipaitraka eo an-tagnana akavagnan'ny herin'Andriamanitra." 70Zare jiaby nivôlagna hoe: "De Zanak'Andriamanitra zagny Anô?" Jesosy nivôlagna taminjaré hoe: "Voalazanare fô Zaho no Izy." 71Zaré nivôlagna hoe: "Nagnino no mbôla mila vavolombelogna antsika?" Fô antsika mitsy no maharegny avy tamin'ny vavany."

Chapter 23

1Nitsangagna ny ôlo jiaby taminjaré, ary nitôndra an'i Jesosy te anoloan'i Pilato. 2Nanomboka niampanga Ananjy zaré, nivôlagna hoe: "Hitanay itô lalahy tô namaitavaita ny firenegnanay, nandrara ny hagnomiàzagna ny hetra ho an'i Kaisara, ary nivolagna fa Izy taignany mitsy no Kristy, mpanjaka."3Pilato nagnontany Ananjy, nivôlagna hoe: "Anô mô no mpanjakan'ny Jiosy?" Jesosy namaly ananjy ary nivôlagna hoe: "Voalazanô." 4Pilato nivôlagna taminjaré lôhan'ny mpisorogna sy zaré vahoaka hoe: "Tsy mahita fahadisoagna amin'itô lalahy to zaho." 5Fô mbôla nagnizingizigna zaré, nivôlagna hoe: "Magnakorontagna ny vahoaka io, mampianatra eran'ny Jodia manontolo, manomboka avy agny Galilia na hatrety amin'itô toeragna itô aza."6Kôfa regnin'i Pilato zagny, de nagnontany izy kô raha Galiliana lay lalahy. 7Kôfa hitany fô ambany fahefan'i Heroda Izy, de nalaifany Jesosy nankagny amin'i Heroda, zay tagny Jerosalema koa taminjany andro zagny.8Kôfa hitan'i Heroda Jesosy, de taigna ravoravo izy, satria aifa te-hahita Ananjy aifa ela. Naharegny ny momba Ananjy izy ary nagnantaigna ny hahita fahagagagna maro natôny. 9Heroda namaitra-panontaniagna an'i Jesosy tamin'ny koragna maro, naifa Jesosy tsy namaly na ino na ino ananjy. 10Re lôhan'ny mpisorogna sy re mpanôra-dalàgna nitsangagna, niampanga Ananjy mafy.11Heroda sy re miaramilany nanaivataiva an'i Jesosy sady nanesoeso Ananjy. Avy te de nampiakanjo Ananjy lamba tsara tarehy zaré ary nalaifan-jaré nierigna tagny amin'i Pilato Izy. 12Fô i Heroda sy Pilato de lasa mpinamana tamin'ny androtr'io (talôhan'zaigny de mpifahavalo zaré).13Avy te Pilato nagnantso re lôhan'ny mpisorogna sy re mpanapaka ary re vahoaka maro niaraka, 14ary nivôlagna taminjaré hoe: "Nindosinare taminahy takéto tô lalahy tô karaha ny lalahy zay mitarika ny ôlogna hagnano ratsy, ary zahao, zaho, kô nametra-pagnotaniagna taminanjy teo anoloanaré, de tsy mahita fahadisoagna amin'itô lalahy itô mahakasika re raha zay hiampanganaré Ananjy.15Ahe, na de Heroda aza, satria nalaifany nierigna tatô amintsika Izy, ary zahao, tsy misy na ino na ino zay mendrika fahafatesagna vitany. 16Noho zagny de ho faiziko Izy, ary ho havôtsotro Izy.'' 17[Fanamarihagna: re fandikagna taigna tsara de tsy manisy ny and 17 hoe: Ary Pilato de voatery namôtsotra gadra raika ho anjaré Jiosy tamin'ny andro firavoravoagna.]18Fô niara-niàfatra mafy zare, nagnano hoe: "Ndôso agny io lalahy io, ary avotsôry ho anay Barabasy!" 19Barabasy de lalahy raika zay nampiditra am-ponja nohon'ny fikomiagna maro tao an-tanàgna sy famonoagna ôlogna.20Ary nivôlagna tamjaré ndraiky i Pilato, nagniry ny hamôtsotra an'i Jesosy. 21Saingy nitabataba mafy zaré, nivôlagna hoe: "Homboy Izy, homboy Izy." 22Nivôlagna taminjaré fagnintelony izy hoe: "Nagnino, fô no ratsy vitan'itô lalahy itô? Tsy nahita na ino na ino zay tôkony hanaziagna Ananjy ho foaty za. Noho zagny kôfa avy manafay Ananjy, de hamôtsotra Ananjy zaho."23Fô izy nanizingizigna tamin'ny feo avo, nangataka Ananjy mbô hombogna. Ny feonjaré de nandresy lahatra an'i Pilato. 24Kô de nanapa-kevitra ny hagneky ny fangatahan-jaré Pilato. 25Navôtsony ilay raiky nangatahin-jaré zay nalaifa tagny am-ponja nohon'ny fikomiagna sy famognoana ôlogna. Fô natologny ho amin'ny sitrapon-jaré Jesosy.26Ary te am-pitondragna Ananjy zaré, de nitàgna an'i Simona avy agny Syrenia, zay avy agny ambanivôlo, ary napaitrakan-jarè tamin'ny kakazofijaliagna mbô hindesiny, nagnaraka an'i Jesosy.27Maro tamin'ire vahoaka, sy re viavy zay nalahelo mafy sy nisaona Ananjy, no nagnaraka Ananjy. 28Fô kôfa nitodika tagny amin-jaré, de nivôlagna Jesosy hoe: "Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomagny Anahy, fô mitomagnia ho an'ny taignanaré sy ny zanakaré.29Fô indro, ho avy ny andro zay hivôlagnan-jaré hoe: 'Sambatra re momba sy re kibo zay tsy nitairaka, ary ny nono zay tsy nampinono zaza.' 30Ary de hanomboka hivôlagna amin'ire tendrombohitra zaré hoe: 'Milavoà aminay,' ary amin'ny havoagna hoe: ''Mandrakôfa anay.'' 31Fô raha magnano zagny raha zagny zaré raha mbôla maitso ny kakazo, ino no hitranga kôfa maigna zagny?''32Nisy lalahy hafa, ôlon-dratsy roa, nindôsigna niaraka taminanjy mbô hivonigna.33Kôfa tônga te amin'ny toairagna raika zay antsôvigna hoe: "Ikarandôha" zaré, de te no nanomboan-jaré Ananjy, sy re ôlon-dratsy - ny raika tamin'ankavanany ary ny raika te amin'ny ankaviany. 34Jesosy nivôlagny hoe: ''Ray ô, mamelà anjaré, fô tsy fantanjaré zay atôny.'' Avy te de niloka zaré, nizarazara re fitafiany.35De nijoro nizaha te re ôlogna re raha mbôla nagnadala Ananjy koa re mpanapaka, nivôlagna hoe: "Namonjy re hafa Izy. Avilay Izy hamonjy ny taignany, kô Izy no Kristin'Andriamanitra, ilay raika voafidy."36Re miaramila ihany koà de nagnalabaraka Ananjy, nagnomià Ananjy vinaingitra, 37ary nivôlagna hoe: "Raha Anô no mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny taignanao." 38Nisy famantaragna koa te amboniny hoe: ''Itô no mpanjakan'i Jiosy.''39Ny raika tamin're ôlon-dratsy zay nihantogna te no namingavinga Ananjy tamin'ny nivôlagnany hoe: ''Tsy anô ve no Kristy? Vonjeo ny taignanô sy zaihay.'' 40Fô ny raika nivôlagna mafy ananjy, nagnano hoe: ''Tsy mbô matahotra an'Andriamanitra mô anô, kô samy ambônin'ny fagnamelôhana mitovy foàgna? 41Antsika de akéto ara-drariny tokoàtra, satrià mandray zay tôkony valin'ny asantsika. Fô tô lalahy tô tsy nagnano raha ratsy.''42Avy te izy nivôlagna hoe: ''Jesosy ô, tsarovy aho kôfa tônga agny amin'ny fanjakanô Anô.'' 43Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: ''Volagniko marigna aminô, fô niagny anô de hiaraka amiko agny Paradisa.''44Ary laira faha-enigna te ho eo taminjany, ary ny aizina avy nandrakotra ny tany manontolo hatramin'ny laira fahasivy 45kôfa niha maizigna ny hazavan'ny masoandro. Avy eo ny lamban'ny tempoly de nizara avy te antaignataignany.46Niàfatra tamin'ny feo mafy, Jesosy nivôlagna hoe: "Ray ô, eo an-tagnanô no amaitrahako ny fagnahiko." Kôfa avy nivôlagna zagny, de maty Izy. 47Kôfa hitan'ilay kapiteny ny raha nitranga, de nagnomia voninahitra an'Andriamanitra izy, nivôlagna hoe: "Azo antoka tokoatra fô ôlo-marigny itô lalahy tô."48Kôfa hitan're vahoaka jiaby zay niara-tônga ho vavolombelogna nagnatri-maso re raha nitranga re, de nierigna niteha-tratra zaré. 49Fô zaré jiaby zay nahafantatra Ananjy, sy re viavy zay nagnaraka Ananjy avy agny Galilia, de nitsangagna teny alavidavitra, nizaha zagny raha zagny.50Ary indro, nisy lalahy raika antsoina hoe Josefa, zay mpikambagna tao amin'ny Synedriona. Ôlogna tsara sady marigna izy. 51Io lalahy io de tsy nagneky ny fanapahan-kevitry ny Synedriona sy ny asanjaré. Avy agny amin'ny tanàgnan'ny Jodiana tagny Armatia izy; ary izy de nikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra.52Io lalahy io, raha nagnatogna an'i Pilato, de nangataka ny vatan'i Jesosy. 53Nalainy nirôrôgna zegny, norakôfany hariry madinika, ary napaitrany tagnaty fasagna raiky zay novakiagna tamin'ny vatolampy, zay tsy mbôla nisy ôlogna nalevigna mihitsy.54Andron'ny Fiomanagna taminjany, ary mbôla naizignizigna ny Sabata. 55Ire viavy, zay niaraka tamin'i Jesosy niala tao Galilia, de nagnaraka avy ao afara ary nahita ny fasagna sy ny fomba nametrahagna ny fatiny. 56Nierigna zare, ary nagnomana zava-magnitra sy mainaka magnitra. Ary tamin'ny Sabata de nitsahatra zaré araka ny didy.

Chapter 24

1Vao mandraigna tamin'ny andro voalôhan'ny herignandro, de nankagny amin'ny fasagna zaré, nitôndra ré zava-magnitra zay nokarakarain-jaré. 2Hitanjaré nikodia lavitry ny fasagna ilay vato. 3Niditra taka zaré, kanaifa tsy nahita ny vatan'ny Tompo Jesosy.4Ary, koa mbôla sahiran-tsaigna momba zagny zaré, tampoka take, de nisy lalahy roa nagnano fitafiagna mamirapiratra nitsangagna te ankilanjaré. 5Ary kôfa feno tahotra re viavy re de niankôhotra tamin'ny tany, nivôlagna tamin're viavy re zaré hoe: "Nagnino anaré no mizaha ny velogna atô amin'ny maty?6Tsy akato Izy, fô aifa natsangagna! Tsarôvo ny nivôlagniny anaré fony Izy mbôla tagny Galilia, 7nagnambara fô ny Zanak'Ôlogna de tsy maintsy hatôlotra ho eo an-tagnan'ny mpanota kay hofantsihigna eo amin'ny hazo fijaliagna, ary amin'ny andro fahatelo de hitsangagna indray.''8Re viavy re de nahatsiaro re raha nivolagniny, 9kay nierigna avy tagny amin'ny fasagna ary nivôlagna zegny raha jiaby zegny tamin'ire raika amin'ny fôlo lahy sy ny ambiny jiaby. 10Ary Mary Magdalena, Johana, Mara maman'i Jakoba, ary re viavy hafa niaraka taminanjy de nitatitra zagny raha zagny tamin'reo apostoly.11Fô zagny hafatra zagny de karaha tsisy dikany tamin're apostoly, kay tsy nino re viavy zaré. 12Kanaifa nitsangana Petera, de nihazakazaka nankeny amin'ny fasagna, ary niondrika sy nizaha take, de nahita re lambam-paty nitokana. Ary Petera nody tagny an-tragnony, nagnontagny taigna ny amin'izay raha nitranga.13Indreo, ny roa taminjaré re nandaiha tamin'io andro io ho agny amin'ny tanàgna atao hoe Emaosy, zay enimpolo stadio miala an'i Jerosalema. 14Izy re de nifampiresaka momba re raha jiaby zay nitranga.15Ary, kôfa nikoragna sy niara- nametra-panontaniagna zaré, de nagnatogna sy nandaiha niaraka tamin-jaré Jesosy. 16Fô ny mason-jaré de nosakagnana mbô tsy hahafantatra Ananjy.17Jesosy nivôlagna taminjaré hoe: "Ino raha koragninare roa atô an-dalambe?" De nidoko zare sady nalahelo endrika. 18Ny raika tamin-jaré, nantsoina hoe Kleopasy, namaly Ananjy hoe: "Anô raika mô no ôlagna tao Jerosalema tsy nahafantatra reo zava-nitranga tagny tamin'zagny andro zagny?19Jesosy nivôlagna taminjaré hoe: "Raha ino?" Zare namaly Ananjy hoe: "Reo raha mikasika an'i Jesosy ilay Nazarena, zay mpaminagny, nahery tamin'ny asa sy ny teny te anatrehan'Andriamanitra sy ny ôlogna jiaby, 20ary ny fomba nanoloran're lôhan'ny mpisorogna sy re mpanapaka Ananjy mbô ho melôhagna ho foaty sy ny nanomboagna Ananjy te amin'ny kakazofijaliagna."21Kanaifa zay nagnantaigna fô Izy no ilay hagnafaka an'Israely. Ia, ary ankoatra zagny raha jiaby zagny, telo andro niagny zô no nitrangan'zagny raha jiaby zagny.22Naifa koa, ny viavy sanany tamin'ny namanay de nahavariagna anay, zay tagny amin'ny fasagna vao mandraigna. 23Kôfa tsy nahita ny vatany zaré, de avy nivôlagna fô zaré koa de nahita fahitagna anjely zay nivôlagna fô velogna Izy. 24Ny lalahy sanany zay niaraka taminay de nandaiha tagny amin'ny fasagna, ary nahita zagny araka zay nivolagnin'ny viavy re. Saingy tsy nahita Ananjy zaré."25Jesosy nivôlagna taminjaré hoe: "A lalahy adala sy votsa saigna vao mino re raha jiaby voalazan'ny mpaminagny! 26Moa ve tsy nilaigna ho an'i kristy ny nijaly tamin'regny raha regny, kay hiditra agny amin'ny voninahiny?" 27Ary nanomboka tamin'i Mosesy ka hatramin're mpaminany jiaby, de nadikan'i Jesosy taminjaré ao amin'ny Sôratra Masigna ny momba ny taignany.28Nony nariny lay tanàgna zay nalaihany zaré, de naneho fihetsika karaha hoe handaiha lavidavitra Jesosy. 29Fô nanery Ananjy zaré, nivôlagna hoe: "Midokoa aminay aketo, fô aifa ho hariva zao ary hifaragna ny andro." Kay niditra mbô hidoka niaraka taminjaré Jesosy.30Ary, kôfa nipaitraka mbô hiaraka hihinagna taminjaré Izy, de naka ny môfo, nisaotra anjagny, sy namaky anjagny, ary nagnomia anjagny anjaré. 31Avy eo nisôkatra ny mason-jaré, kay nahafantatra Ananjy, ary nanjavogna te imason-jaré Izy. 32Izy re nifampiteny hoe: "Moa ve ny fontsika tsy niredareda tao agnatitsika, kôfa nivôlagna tamintsika teny an-dalagna Izy, kôfa nanôkatra ny Sôratra Masigna tamintsika Izy?"33Nitsangana zaré tamin'io laira io, kay nierigna tagny Jerosalema. Nahita re raika ambin'ny fôlo niara-nivory zare, sy re zay niaraka taminjaré, 34nivôlagna hoe: "Ny Tompo de nitsangagna tikoatra, ary niseho tamin'i Simona." 35Kay nivolagnin-jaré zay raha nitranga tagny an-dalagna, sy ny fomba nisehoan'i Jesosy tamin-jaré tamin'ny fanapahagna lay môfo.36Kôfa nivolagna zagny raha zagny zaré, de nijoro tanivon-jaré Jesosy taignany, ary nivolagna tamin-jaré hoe: "Fiadanagna anie ho anaré." 37Saingy taitra sy raiki-tahotra zaré, ary nihevitra fô nahita fagnahy.38Jesosy nivolagna taminjaré hoe: "Nagnino anare no matahotra? Nagnino no misy fagnontaniagna ao am-ponaré? 39Zahà ny tagnako sy ny hongoko, fô Zaho taignako itô. Kasiho Zaho kay zahà. Fô ny fagnahy tsy managna nôfo sy tôlagna, karan'ny ahitanaré Anahy hoe managna." 40Kôfa nivôlagna zagny Izy, de nasehony taminjare ny tagnany sy ny tongony.41Mbôla tsy nino zagny zaré nohon'ny hafaliagna, ary magnana zaré. Jesosy nivôlagna anjaré hoe: "Managna raha hihonigna mô anaré?" 42Namian-jaré lôko voatono izy, 43kay nalainy zagny ary nihoaniny te anoloàn-jaré.44Izy nivolagna taminjaré hoe: "Tamin'Izaho niaraka taminaré, de nivôlagna taminaré fô zay raha voasôratra tao amin'ny lalàgnan'i Mosesy sy re mpaminagny ary re Salamo de tsy maintsy ho tantairaka."45Ary nisokafiny ny saignan-jaré, mbô hazahoan-jaré ny Sôratra Masigna. 46Nivôlagna tamin-jaré Izy hoe: "Zô ny voasôratra, fô ilay Kristy de hijaly, ary hitsangagna amin'ny maty ndraika amin'ny andro fahatelo. 47Fibaibahagna sy famelan-keloka no tôkony ho torigna amin'ny Agnarany agny amin'ny firenegna Jiaby manomboka ao Jerosalema."48Anaré no vavolombelon'regny raha regny. 49Indro, halaifako aminaré zay nampanantenain'ny Raiko. Kanaifa mitoaira an-tanàgna mandra-pitafianaré ny hery avy agny ambony."50Ary Jesosy nitarika anjaré mandra-pahatônganjaré tany Betania. Nasandrany ny tagnany, ary notahiany zaré. 51Ary, kôfa nitso-drano anjaré Izy, de nandao anjaré Izy ary lasa nakarigna tagny an-dagnitra.52De nidaira Ananjy zaré, ary nierigna tagny Jerosalema tamin'ny fifaliagna maventy be. 53Nitohy nankao amin'ny tempoly zaré, nankalaza an'Andriamanitra.

John

Chapter 1

1Tamin'ny voalôhany ny Teny, ary ny Teny tamin'Andriamanitra, ary ny Teny de Andriamanitra. 2Zégny de takô amin'Andriamanitra tamin'ny voalôhany. 3Ny raha jiaby de avy Aminanjy aby, ary kô tsy noho Izy de tsisy na ino na ino.4Noho Izy no nisiam-piainagna, ary io fiainagna io no fahazavan'ny ôlogna jiaby. 5Ny hazavagna de mamiratra agnatin'ny hizigna, ary ny hizigna tsy nandresy zégny.6Nisy lalahy raiky nirahin'Andriamanitra, Jaona no agnarany. 7Tônga izy mbô ho vavôlombelogna hagnambara ny momban'ny fahazavagna, mbô hinoan'ny jiaby amin'ny alalany. 8Tsy Jaona lay fahazavagna, fô tônga ndraika mbô hagnambara ny momba lay fahazavagna izy.9Ny fahazavagna marigna, zay magnamia hazavagna ny ôlo-jiaby, de tônga aketo amin'izô tontôlo zao.10Teto amin'izô tontôlo zao Izy, ary Izy nahariagna an'izô tontôlo zao, ary zao tontôlo zao tsy nahafantatra Ananjy. 11Tônga tagny amin'ny ôlony Izy, ary ny ôlony de tsy nandray Ananjy.12Fô iré maro nandray Ananjy, zay nino ny agnarany, de namiàny fahefagna ho tônga zanak'Andriamanitra. 13Iré de tsy nateraka tamin'ny rà, na ny sitrapon'ny nôfo, na ny sitrapon'ny ôlogna, fô ny an'Andriamanitra.14Ary ny Teny tônga nôfo ké nonigna tamintsika. Hitanay ny vôninahiny, vôninahitra kara lay raiky sy tôkagna zay tônga avy tamin'ny Baba, feno fahasoavagna sy fahamarinagna. 15Jaona nagnambara ny momba Ananjy ké nihafatra mafy, magnano hoe: "Izy lay raika zay efa nivolagniko hoe: 'Izy zay tônga afarako de maventy be noho zaho, satrià talôhako Izy.'"16Fô avy amin'ny fahafenoany no nandraisantsika jiaby fahasoavagna hagnampy fahasoavagna. 17Fô ny lalàgna de namiagna tamin'ny alalan'i Mosesy. Ny fahasoavagna sy fahamarignana de tônga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 18Tsisy nahita an'Andriamanitra na oviagna na oviagna. Fô lay Andriamanitra raika sy tôkagna, izô aké an-tratran'ilay Baba, no nampahafantatra Ananjy.19Ary izô no fagnambaran'i Jaona kôfa nagnasa iré mpisorona sy Levita avy tagny Jerosalema hankeo aminanjy iré Jiosy mbô hagnontany ananjy hoe: "Zôvy mô anà?" 20Nitsotra izy, ké tsy nandà, fô namaly hoe: "Tsy Kristy zaho." 21Ké nagnontany ananjy zaré hoe: "Ino ariky anà izégny? Elia vô anà?" Nivôlagna izy hoe: "Tsy izy zaho." Ahozy zaré ré hoe: ''Anà mô lay mpaminany?'' Namaly izy hoe: "Aha."22Avy také zaré ré nivôlagna taminanjy hoe: "Izôvy anà, mbô afahanay magnamià valin-teny amin'ire zay nagnasa anay? Ino no volagninà momban'ny tegnanà?" 23Ahozy izy hoe: "Zaho lay feo, magnantso mafy agny an'efitra hoe: 'Atôvy mahitsy ny lalan'ny Tompo,' araka ny voalazan'Isaia mpaminany."24Ary nisy iraky sanany avy aminjaré fariseo nalefa, 25ary nagnontany ananjy zaré ké nivôlagna taminanjy hoe: "Nagnino ariky anà no magnano batisa kô tsy Kristy anà no sady tsy Elia no tsy lay mpaminagy?"26Ary Jaona namaly anjaré ré, magnano hoe: "Magnano batisa amin'ny rano zaho. Fô aké agnivonaré de misy ôlogna araiky mijôro zay tsy fantanaré. 27Izy lay araiky zay tônga avy akô afarako, zay tsy tôkony ho zaho no hamaha ny tadi-kapany." 28Iré raha iré de natô tagny Betania tagny andafin'i Jordana, zay nagnanovan'i Jaona batisa.29Amaraigna Jaona nahita an'i Jesosy nagnatogna ananjy ary nivôlagna hoe: "Zahà, indro ny zanak'ondrin'Andriamanitra zay magnala ny fahotan'izô tontôlo izô!" 30Itô lay araiky zay nivolagniko hoe: 'Lay araiky zay tônga avy afarako de maventy be noho zaho, satrià talôhako Izy.' 31Ary zaho tsy nahafantatra Ananjy, fô mbô ho voavôlagna amin"Israely izy no nihaviàko hagnano batisa amin'ny rano.''32Jaona nagnambara, magnano hoe: "Nahita ny Fagnahy nirôrogna avy agny an-dagnitra kara ny voromailala zaho, ary nipetraka také ambôniny izégny. 33Tsy mahafantatra Ananjy zaho, fô Izy zay nagnasa anahy hagnano batisa amin'ny rano nivôlagna taminahy hoe: "Aké ambonin'izay hitanà hirorôgnan'ny Fagnahy sy hitoerany aké aminanjy, izy lay araiky zay magnano batisa amin'ny Fanahy Masina.' 34Sady nahita zaho no nagnambara fô izy lay Zanak'Andriamanitra.''35Ny amaraigna, ndraiky, kôfa nijôro niaraka tamin'ny roy amin'iré mpianany Jaona, 36de nahita an'i Jesosy nandaiha zaré ré, ké ahozy Jaona hoe: "Zahà, lay Zanak'ondrin'Andriamanitra!"37Naharegny ananjy nivôlagna izégny iré mpianany roy ké nagnaraka an'i Jesosy zaré ré. 38Avy také Jesosy nitodika ké nahita anjaré ré nagnaraka Ananjy ké nivôlagna anjaré ré hoe: ''Ino no ilainaré?'' Namaly iré hoe: ''Raby (zay midika hoe mpampianatra), eza Anà no mitoetra?" 39Namaly anjaré ré Izy hoe: "Magnatôgna ary zahà." Ké nagnatogna zaré ré ké nahita ny toeragna zay nipitrahany; nitoetra niaraka Taminanjy takô zaré ré tamin'io andro io, fô tôkony efa ho lera fahafôlo taminjagny.40Araiky tamin'iré mpianatra roy naharegny an'i Jaona nivôlagna ary nagnaraka an'i Jesosy avy aké i Andrea, rahalahin'i Simona Petera. 41Nitady an'i Simona rahalahiny alôha izy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Hitanay ny Mesia" (zay adika hoe Kristy) 42Nitondra ananjy tagny amin'i Jesosy izy, ary nizaha ananjy Jesosy ké nivôlagna hoe: "Anà de Simona zanak'i Jaona, Anà de antsovigna hoe Kefasy" (zay midika hoe: Petera).43Ny amaraigny, kôfa te andeha ho agny Galilia Jesosy, de nahita an'i Filipo Izy ary nivôlagna taminanjy hoe: "Magnaraha Anahy." 44Filipo de avy agny betsahida, tanàgnan'i Andrea sy Petera. 45Nahita an'i Natanaela i Filipo ké nivôlagna taminanjy hoe: "Izy zay nosoratan'i Mosesy takô amin'ny lalàgna, sy iré mpaminany, hitanay Izy, de Jesosy zanak'i Josefa, avy agny Nazareta."46Natanaela nivôlagna taminanjy hoe: "Mô hisy raha tsara avy akô Nazareta?" Filipo nivôlagna taminanjy hoe: "Magnatôgna ké zahà." 47Jesosy nahita an'i Natanaela nagnatogna ananjy ké nivôlagna iré mombamomba ananjy hoe: "Zahà, izégny no tegna israelita, zay tsisy fitaka aminanjy!" 48Natanaela nivôlagna Taminanjy hoe: "Karakôry nafantaranà anahy?" Jesosy namaly ké nivôlagna taminanjy hoe: "Talôhan'ny nagnatsôvan'i Filipo anà, kôfa tambanin'ny kakazo aviavy anà, de hitako."49Natanaela namaly hoe: "Raby, Anà lay zanak'Andriamanitra! Anà no mpanjakan'Israely!" 50Jesosy namaly ké nivôlagna taminanjy hoe: "Satrià Zaho nivôlagna taminà hoe: 'Nahita anà také ambanin'ny kakazo aviavy Zaho,' no hinoanà? Hahita raha tsara mihoatra noho izégny anà." 51Avy aké Izy nivôlagna hoe: "Volagniko aminaré, marigna, de marigna tokoà, fô hahita ny lagnitra hisôkatra anaré, ary iré anjelin'Andriamanitra hiakatra sy hirôrogna aké ambonin'ny zanak'ôlogna."

Chapter 2

1Telo andro tafarany, de nisy fampakaram-bady takô Kanà akô Galilia, ary takô ny maman'i Jesosy. 2Jesosy sy iré mpianany dia nasaigna tamin'ilay fampakaram- bady.3Kôfa lany ny divay, de nivôlagna taminanjy ny renin'i Jesosy hoe: "Tsy managna divay zaré ré." 4Ary ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Raviavy, nagnino anà no mandeha atô aminahy? Mbôla tsy tônga ny fotoagnako.'' 5De ahozy ny reniny tamin'iré mpanompo hoe: "Na ino na ino volagniny aminaré, de atôvo izégny.''6Ary nisy siny vato enina také zay fampiasaigna amin'ny andro fisasan'ny Jiosy, mazaka roa hatramin'ny telo metatra aby. 7Aozy Jesosy taminjaré hoe: "Finoà rano ny siny.'' ké nifinoàn- jaré ziska amin'ny môlony izégny. 8Nony avy také de Aozy tamin'iré mpanompo hoe: ''Magnovôza amin'izay ké indôso agny amin'ny tômpon'andraikitra.'' Ké nitanterahin-jaré ré izégny.9Nandraman'ny tômpon'andraikitrin'ny fikarakaragna lay rano nanjary divaigna, kanéfa tsy nahafatatra zay niaviàn'izégny izy (fô iré mpanompo zay nagnôvo ny rano ndraika nahafatatra). Avy aké de nagnantso ny mpampakatra Izy 10ké nivôlagna taminanjy hoe: "Ny ôlogna jiaby de mandroso divaigna tsara alôha zay vô ny divaingna môramôra kôfa mamo zaré ré. Fô anaré ndraiky nikajy ny divaigna tsara ziska zô.''11Izégny no famantaragna vôlôhany natôn'i Jesosy tako Kanà agny Galilia, ary naneho ny voninahiny Izy, ké nino Ananjy iré mpianany.12Tafaran'izégny de nirôrogna ho agny Kapernaomy Jesosy, ny mamany, iré ralahiny sy iré mpianany ké nidôko takô andro vitsivitsy zaré.13Ary kôfa nariny ny Pasky ny Jiosy, de niakatra tagny Jerosalema Jesosy. 14Nahita mpivarotra aomby, ondry ary voromailala takô an- tempoly Izy, ary nipaitraka takô koà iré mpanakalo vôla.15Noho izégny de nagnamboàtra karavasy izy ké nandroàka anjaré jiaby hivoàka ny tempoly, na ny ondry na aomby. Nandraraka ny vôlan'iré mpanakalo vôla Izy ké nagnongana ny latabatran-jaré ré. 16De Aozy tamin'iré mpivarotra pizina hoe: "Indôso mivoàka itô toairagna itô iré raha iré. ôka zay ny fagnanovagna ny tragnon-dRaiko ho toeram- pivarôtagna.''17Ary tsaroàn'iré mpianany fô efa voasôratra hoe: "Ny firehetako ny amin'ny tragnonanà no handevogna anahy.'' 18Avy aké namaly iré lôhandôhan'ny mpisorogna Jiosy ké nagnano taminanjy hoe: "Ino ny famantaragna ho asehonô anay, matônga anô magnano irégny raha irégny?'' 19Jesosy namaly hoe: "Ravay itô tempoly itô, fô hantsangako agnatin'ny telo andro monja izégny.''20Ary aozin'iré mpanapaka Jiosy hoe: "Enina amby efapôlo tôgno no nagnorainagna itô tempoly itô, ké anô ndraiky hahatsangagna ananjy agnatin'ny telo andro?'' 21Kanéfa, mômban'ny tempolin'ny taignany no nikoragniny. 22Tafaran'ny nitsanganany tamin'ny naty, de tsaroàn'iré mpianany fô nilvôgna izégny izy, ké nino ny sôratra Masina sy zany teny nilazain'i Jesosy izégny zaré.23Ary kôfa takô Jerosalema Izy tamin'ny andro firavoravoan'ny Paska, de maro no nino ny agnarany kôfa nahita iré famantaragna zay natôny. 24Fô Jesosy ndraiky tsy nahatoky anjaré ré noho Izy nahafantatra tsara ananjy jiaby, 25satrià tsy nila na izôvy na izôvy agnabara aminanjy ny mômban'ny ôlogna Izy, noho Izy nahafantatra ny akô agnatin'ôlogna.

Chapter 3

1Ary nisy Fariseo raiky antsôvigna hoe Nikodemosy, mpitarika Jiosy. 2Nagnantogna an'i Jesosy tamin'ny andro aligna io lalahy io ké nivôlagna taminanjy hoe: "Raby, fantanay fô mpampianatra zay avy amin'Andriamanitra Anô, satrià tsisy mahavita ire famantaragna atônà kôfa tsy miaraka amin'Andriamanitra.''3De namaly ananjy Jesosy nagnano hoe: "Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô kôfa tsy ateraka indraiky ny ôlogna de tsy ahita ny fanjakan'Andriamanitra izy.'' 4Nikodemosy nivôlagna taminanjy hoe: '' Amin'ny fômba karakôry ny hahatanteraka ny ôlogna raiky kô efa antitra izy? Tsy afaka hiditra an-kibon-dreniny izy ké hateraka, sa vô afaka?5Namaly Jesosy hoe: "Volagniko marigna aminô tokoà, fô kôfa tsy nateraka tamin'ny rano sy ny fanahy ny zanak'ôlogna, de tsy afaka hiditra akô amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. 6Zay ateraky ny nôfo de nôfo, ké zay aterakiny ny Fanahy de fanahy.7Aza magnana amin'izay nivolagniko anô hoe: 'Tsy maintsy hateraka indraiky anaré.' 8Ny rivotra mitsoka na eza na eza iriany; regninô ny feony, fô tsy fantanô zay niaviàny na zay handianany. Karanjegny aby ny ateraky ny Fanahy.''9Namaly Nikodemosy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Akory ny fomba hahatanterahin'izégny kôfa izégny?" 10Jesosy namaly ké nivôlagna taminanjy hoe: ''Mpampianatra an'Israely vô anô, de mbôla tsy azonô foagna izégny kôfa izégny? 11Volagniko aminô, marigna, de marigna tokoà, fô zay fantanay no volagninay, ké zahay magnambara ny momba zay hitanay. Kanaifa mbôla tsy magneky ny fagnambaragnanay anaré.12Kôfa nagnambara taminaré ny raha tety an-tany Zaho nefa tsy hinoanaré, amin'ny fomba karakory no hinoanaré Anahy kôfa hitantara aminaré ny raha misy agny an-dagnitra Zaho? 13Tsisy niakatra agny an-dagnitra afa-tsy lay nirôrogna avy tagny, de lay zanak'Ôlogna izégny.14Ary kara ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava tagny an'efitra, no tsy maintsy hanandratagna ny Zanak'Ôlogna, 15mbô hanagna fiaignana mandrakizay zay jiaby mino Ananjy.16Fô tegna tian'Andriamanitra izô tontôlo izô, ké namiany ny zanany lahy tôkagna, mbô tsy ho very zay jiaby mino Ananjy fô hanagna fiaignana mandrakizay. 17Fô Andriamanitra tsy nagnasa lay Zanaka ho amin'izô tontôlo izô mbô hagnameloka izô tontôlo izô, fô mbô hamonjy izô tontôlo izô amin'ny alalany. 18Zay mino Ananjy de tsy helohina, fô zay tsy mino ndraiky de efa voaheloka sahady satrià tsy nino ny agnaran'ilay Zanaka lahy raiky sy tôkan'Andriamanitra.19Izô no anton'ny fitsaràgna: tônga taketo amin'izô tontôlo izô ny fahazavagna, nefa de naleon'ôlombelogna ny haizigna karaha zay ny mazava satrià ratsy iré asa natôny. 20Fô zay jiaby magnano ratsy de mankahala ny mazava ké tsy magnantogna izégny mbô tsy ho hita mibaribary iré asany. 21Kanefa, zay magnano ny marigna de magnantogna ny mazava mbô ho hita tsara fô iré asany de natô arakan'Andriamanitra."22Tafaran'iay, de nandeha tagny Jodia Jesosy sy iré mpianany. Nitoetra fotoagna vitsy takô niaraka taminjaré ré Izy ké nagnao batisa. 23Ary Jaona koà nagnano batisa tagny Ainona akaikin'i Saleima satria betsaka ny rano tagny. Nagnatogna ananjy ny vahoaka ké natô batisa, 24fô tsy mbôla nalefa agny an-tragno maizigna Jaona.25Avy také nisy fifandiragna tamin'ny sanany aminjaré mpianatr'i Jaona sy Jiosy raiky momban'ny andro fisasagna. 26Nagnantogna an'i Jaona zaré ré ké nivôlagna hoe: "Raby, Lay raiky niaraka taminô tagny ampitan'ny reniranon'i Jordana, zay nambaranô, indro, magnano batisa Izy, ary magnantogna Ananjy aby zaré jiaby."27Ary Jaona namaly hoe: "Tsisy afaka mandray na ino na ino ny ôlogna raiky kôfa tsy namiagna ananjy avy agny an-dagnitra izégny. 28Anaré foagna de efa afaka ny vavôlombelogna amin'ny volagniko hoe: 'Tsy lay Kristy zaho,' fô ndraiky: 'Nasainy talôhany.'29Ny ampakarigna de an'ny mpampakatra. Ary ny sakaizan'ny mpampakatra, zay nitsangagna sy mitandregny ananjy, de mifaly indrindra nohon'ny amin'ny farignesany ny feon'ny mpampakatra. Izégny, ary, no mameno hafaliànahy. 30Tsy maintsy mintombo Izy, fô zaho ndraiky tsy maintsy mihegna.31Izy zay avy agny ambôny de ambônin'ny raha jiaby. Izy avy aketo an-tany de avy aketo an-tany ké mikoragna mômban'ny aketo an-tany. Zay avy agny an-dagnitra de ambônin'ny raha jiaby. 32Izy de magnambara ny mômba zay hitany sy regniny, kanefa de tsisy mandray ny fagnabaragnany. 33Zay nandray ny fagnambarany ndraiky de magnamafy fô marigna Andriamanitra.34Fô lay araiky nirahin'Andriamanitra de mivôlagna ny tenin'Andriamanitra. Satrià tsy nasiany fetra ny fagnomezagna ny Fanahy. 35Ny Baba tià lay zanaka lahy ké nametraka ny raha-jiaby taketo ampelan-tagnany. 36Zay mino lay Zanaka lahy de managna ny fiainagna mandrakizay, fô zay tsy magneky lay zanaka lahy ndraiky de tsy hahita fiainagna, fô hitoeran'ny havigniran'Andriamanitra.''
Chapter 4

1Ary kôfa fantatr'i Jesosy hoe fantatr'irè Fariseo fô nahazo sy nagnano batisa mpianatra maro noho Jaona Izy 2(na de tsy Jesosy tegnany aza no nagnano batisa, fô iré mpianany), 3de niala takô Jodia Izy ary niherigna nandeha agny Galilia ndraiky.4Fô ilainy ny mamakivaky an'i Samaria. 5Ké de tônga takô amin'ny tanàgna raiky akô Samaria Izy, antsôvigna hoe Sykara, mariny lay ilan-tany zay namian'i Jakoba an'i Josefa zanagny.6Také lay fangalan'i Jakoba rano. Natsiaro reraka tamin'ny lehany Jesosy ké nipetraka tamin'ilay fangalan-drano. Tôkony tamin'ny laira faenignia te. 7Nisy viavy Samaritana raika tônga hialadrano, ké ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Mbô amià rano Zaho ho sotroiko.'' 8Fô iré mpianatra efa lasa agny an-tanàgna mbô hividy hanigna.9Avake ahozy lay viavy samaritana taminanjy hoe: "Karakôry anà, zay Jiosy, no mangataka aminahy, zay viavy samaritana, rano ho hihoanigna? Fô irè Jiosy tsisy hifandraisagna amin'ny Samaritana. 10Fô namaly Jesosy ké nagnano taminanjy hoe: "Kô fantanô ny fagnamiazan'Andriamanitra, sy zay mivôlagna aminô hoe: 'Amià zaho ho sotroiko,' de anô ndraiky no ho nangaho taminanjy, ké amiàny rano velogna.''11Ahozy lay viavy taminanjy hoe: "Tompoko, anô de tsy managna fanovôzagna ké ny fatsakana laligna. Ké akeza no hahazahoanô rano velogna? 12Anô de tsy maventy, mô vô, noho Jakoba razambentsika, zay nagnomia anay ny fatsakagna sy nisotro tamin'izégny ny tegnanay, karaha ny natônjaré zanany sy iré bibiny?"13Jesosy namaly ké nagnano taminanjy hoe: "Zay jiaby misôtro amin'itô rano itô de mbôla hangetaheta ndraiky, 14fô na zôvy na zôvy misotro amin'ny rano zay hamiako ananjy de tsy hangetaheta mandrakizay. Fô ndraiky, ny rano zay hamiako ananjy de ho tônga loharano miboiboika akô agnatiny, zay mitondra agny amin'ny fiainagna mandrakizay."15Ahozy raviavy taminanjy hoe: "Tompoko, amiàvo izégny rano izégny zaho mbô tsy hangetaheta sy ho tônga hatsaka aketo intsony." 16Ahozy Jesosy tamin'draviavy hoe: "Mandehagna, antsôvy vadinô, de miregna atô."17Namaly lay viavy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Tsy manambady zaho." Namaly Jesosy hoe: "Marigna ny voalazanô hoe: 'Tsy manambady zaho,' 18fô efa nanambady indimy anô, ké lay raiky zay hipetrahanô avaizo de tsy mbôla vadinô. Marigna zay voalazanô."19Ahozy raviavy taminanjy hoe: ''Tompoko, itako fô mpaminagny Anô. 20Iré razantsika nivavaka taketo amin'itô tendrombohitra itô, kanefa anaré magnambara fô Jerosalema no toeragna tôkony hivavahan'ny ôlogna.''21Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Minoa Anahy, raviavy, fô ho avy ny andro zay hideranaré ny Baba ké sady tsy amin'itô an-tendrombohitra itô no tsy agny Jerosalema. 22Fô anaré miankôhoka amin'izay tsy fantanaré. Zahay ndraika miankôhoka amin'izay fantanay, satrià ny famonjegna de avy amin'iré Jiosy.23Kanefa, ho avy ny andro, ary tônga avaizo, kôfa hidera ny Baba amin'ny fanahy sy fahamarinagna iré tegna mpivavaka, satrià ny Baba de mitady ôlogna kara izégny ho mpidera Ananjy. 24Andriamanitra de Fanahy, ké ny ôlogna zay midera Ananjy de tsy maintsy midera amin'ny fanahy sy fahamarinagna."25Ahozy lay viavy taminanjy hoe: "Fantako fô ho avy ny Mesia (lay antsôvigna hoe Kristy). Ary kôfa tônga Izy, de hagnazava amintsika ny raha jiaby." 26Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Zaho zay mivôlagna aminô, no Izy."27Tamin'izégny fotoagna izégny de nierigna iré mpianany. Ary nagnontany tegna zaré ré hoe nagnino Izy no mikoragna amin'ny viavy, fô tsisy nivôlagna hoe: "Ino no tadiavinô?" na hoe: "Nagnino anô mikoragna aminanjy?"28Noho izégny de namela ny sininy raviavy, ké nandeha nierigna tagny an-tanàgna, ary nivôlagna tamin'ny ôlogna hoe: 29"Handeha, zahà lay lalahy zay nivôlagna ny raha natôko jiaby. Tsy ho Kristy izégny, sa vô Izy?" 30De niala také an-tanàgna zré ré ké nankeo Aminanjy.31Nandritr'izégny, namporisika Ananjy iré mpianatra, magnano hoe: "Raby, mihinàna."32 Fô ahozy tamin-jaré ré hoe: "Zaho de managna hanin-ko hanigna zay tsy fantanaré." 33Ké nifampivôlagna iré mpianatra hoe: "Tsisy ôlogna nitondra raha ho hanigna ho Ananjy, sa vô nisy?"34Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: "Ny hanigna de ny magnano ny sitrapôn'Ilay nagnasa Anahy ké magnano ny asany. 35Anô mô tsy mivôlagna hoe: ''Efa-bôlagna tavela de ho avy ny fararano?' Volagniko aminaré, hatopazo ny masonaré de zahà ny agny an-tsaho, fô efa masaka ary ho jinjaigny iré! 36Zay minjinja de mandray karama sy magnangogna vokatra ho amin'ny fiainagna mandrakizay, ké hiara-paly ny mpamafy sy ny mpijinja."37Fô amin'izégny de marigna lay teny magnano hoe: 'Ny raiky mamafy, ké ny raiky ndraiky minjinja,' 38Nagnasa anaré hinjinja zay tsy nisasaranaré Zaho. Iré hafa no nisasatra, ké anaré no niditra také amin'zay nisasarany."39Maro tamin'iré samaritana takô amin'izégny tanàgna izégny no nagneky Ananjy nohon'ny tatitr'ilay viavy zay magnambara hoe: ''Nivolagniny taminahy aby zay natôko jiaby." 40Kôfa nagnantogna Ananjy iré samaritana, de nangataka Ananjy mbô hidônko hiaraka aminjaré ré, de nidônko takô roy andro Izy.41Maro hafa no nagneky nohon'ny teniny. 42Ahozy zaré ré tamin-draviavy hoe: "Tsy noho zay nivolagninô eky no hinoanay, fô zahay mihitsy no efa naharegny, ké fantanay fô Izy tokoà no lay Mpamonjy an'izô tontôlo izô."43Tafaran'iré roy andro iré, de niala avy takô Izy hakagny Galilia. 44Fô Jesosy mihintsy no nagnambara fô ny mpaminany de tsy manan-danja akô amin'ny taniny manôkagna. 45Kôfa tônga takô Galilia Izy, de nandray Ananjy iré Galiliana. Zaré ré de nahita ny raha jiaby zay natôny takô Jerosalema tamin'ny andro firavoravoagna, satria nandeha tagny amin'ny andro firavoravoagna foagna koà zaré ré.46Ary tônga takô Kana akô Galilia ndraiky Izy, zay toeragna nampodiany ny rano ho divay. Nisy tandapa raiky zay nanagna zanaka lahy marary takô Kapernaony. 47Kôfa regny fô avy agny Jodia ho agny Galilia Jesosy, de nankeo amin'i Jesosy izy ké nangataka taminanjy mbô hirôrogna ké hampahivagna ny zanany lahy, zay efa ho foaty.48Avy také Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: "Kôfa tsy mahita famantaragna sy fahagagagna anaré, tsy mbô hino mihintsy." 49Ahozy lay tandapa taminanjy hoe: "Tompoko, mirorôgna ré mialôhan'ny hafatesan'ny zanako." 50Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Mandehàna. Velogna ny zanakanô." Nino ny teny zay nivolagnin'i Jesosy taminanjy lay lalahy, ké de lasagna izy.51Kôfa agny izy nirorôgna igny, de nitsena ananjy re mpanompony, nivôlagna fô velogna ny zanany. 52Ké nagnontagny anjaré ré ny lera zay nagnaretany izy. Namaly Ananjy zaré ré hoe: "Omaly tamin'ny lera fahafito no nialàn'ny tazogna taminanjy."53Fantatr'ilay papany avy také fô tamin'io lera io no nivolagnan'i Jesosy ananjy hoe: "Velogna ny zanakanô." Ké de nino ny tegnany sy iré ankohonany jiaby. 54Izégny no famantaragna faharoy natôn'i Jesosy fony Izy niala takô Jodia ho agny Galilia.

Chapter 5

1Tafaran'izégny de nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary niakatra ho agny Jerosalema Jesosy. 2Ary tagny Jerosalema eké ankilan'ny vavahadin'ondry, de nisy farihy, zay natsôvigna tamin'ny Hebreo hoe Betesda, ké misy fialôfagna dimy izégny. 3Maro iré ôlogna marary, jamba, malemy, na tsy afa-mietsika natory takô. (Fagnamarihagna: Ny antontan-taratasy talôha zay tsara indrindra de magnala ny fehezanteny hoe: "Miandry ny fihetsehin'ny rano") (Fagnamarihagna: Ny antontan-taratasy talôha tsara indrindra de magnala ny and. 4hoe: "Fô nisy anjelin'ny Tompo raiky nirôrogna ké nampihetsika ny rano ndraikindraiky ary na zôvy na zôvy nandroso nankô kôfa nihetsika ny rano de nahivagna tamin'iré aretigna zay namparary ananjy na ino na ino.")5Ary nisy lalahy araiky také zay efa narary valo amby telo-pôlo tôgna. 6Kôfa hitan'i Jesosy nandry také izy, sy tafaran'ny nahatsapany fô efa an-tôgna maro izy no také, de ahozy izy taminanjy hoe: "Te-ho sitrana mô anô?"7Namaly lay lalahy marary hoe: "Tompoko, tsy managna na zôvy na zôvy zaho handroboka anahy akô agnaty farihy kôfa mihetsika ny rano. Kôfa mandeha zaho, de misy misôsoka aké alôhako." 8Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Mitsangàna, indôso ny fandriagnanô, ké mandehana."9Avy hatrany de nahivagna lay lalahy, ké niraisiny ny fandriagnany de nandeha izy. Ary Sabata izégny andro izégny.10De ahozy iré Jiosy tamin'ilay nahivagna hoe: "Sabata ny andro de tsy mahazo mitôndra ny fandriagnanô anô". 11Namaly izy hoe: "Lay nampahivagna anahy no nivôlagna taminahy hoe: "Ndôso ny fandriagnanô ké mandehana."12Ary nagnontagny ananjy zaré ré: "Izôvy Lay lalahy nivôlagna taminô hoe: 'Ndôso ny fandriagnanô ké mandehana'?" 13Kanefa, lay nahivagna tsy nahalala Ananjy satrià niala môramôra Jesosy fô nisy vahoaka také an-toeragna.14Nony avy také, hitan'i Jesosy takô an-tempoly izy ké ahozy taminanjy hoe: "Io, nahivagna anô! Aza manota Eky, mbô tsy hitranga aminô ny raha ratsy noho ny také." 15Avy také de lasagna ralalahy ké nitatitra taminjaré Jiosy fô Jesosy no nanasitrana ananjy.16Ary noho iré raha iré de nagnenjika an'i Jesosy iré Jiosy, satrià nagnano iré raha iré tamin'ny Sabata Izy. 17Ary namaly ananjy iré Jesosy hoe: "Ny Raiko de miasa egny fô na avaizo aza, ary Zaho, ihany koà, de miasa." 18Noho izégny, de vô maika nitady hamono Ananjy iré Jiosy tsy nohon'ny faniratsirany ny Sabata foagna, fô ny niantsoany an'Andriamanitra ihany koà hoe Babany manôkagna, magnano ny tegnany ho mitôvy amin'Andriamanitra.19Ary Jesosy namaly anjaré ré hoe: "Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô ny Zanaka de tsy afaka magnano na ino na ino ho Ananjy, afa-tsy zay hitany ataon'ny Ray foagna, fô na ino na ino ataon'ny Ray, de ataon'ny Zanaka ndraiky koà iré raha irè. 20Fô ny Ray tia ny Zanaka ké nampiseho Ananjy ny raha jiaby zay natôn'ny tegnany, ary hampiseho ananjy raha maventy be mihoatra noho iré Izy mbô ho magnana anaré.21Fô karaha ny Ray manangagna sy mamelogna ny maty, de karanjegny koà no ameloman'ny Zanaka zay tiany. 22Fô ny Ray de tsy mitsara na zôvy na zôvy, fô namiany ny Zanaka ny fitsaragna jiaby 23mbô hagnajan'ny jiaby ny Zanaka karaha ny hagnajan-jaré ny Ray. Zay tsy magnaja ny Zanaka de tsy magnaja lay Ray nagnasa Ananjy.24Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô zay maharegny ny teniko sy mino zay nagnasa Anahy de managna ny fiainagna mandrakizay kè tsy ho helohigna, fô niala tamin'ny fahafatesagna ho amin'ny fiainagna izy.25Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoâ, fô avy ny lera, ary tônga izégny avaizo, kôfa haharegny ny feon'ny Zanak'Andriamanitra ny maty, ary ho velogna iré zay maharegny.26Fô karaha ny Ray managna fiainagna akô Aminanjy, no nagnomezagna ny Zanaka ihany koà mbô hanagnany fiainagna akô Aminanjy, 27ary namian'i Ray fahefagna hitsara ny Zanaka noho Izy Zanak'ôlogna.28Aza magnana amin'izégny, fô avy ny andro handrignesan'ny ôlogna jiaby agny am-pasagna ny feony 29ké hivoaka: iré zay nagnano ny tsara de ho agny amin'ny fitsanganagna ho amin'ny fiainagna, fô iré zay nagnano ny ratsy ndraiky de ho agny amin'ny fitsanganana ho amin'ny fitsaragna.30Tsy afaka magnano na ino na ino kôfa Zaho foagna. Araka zay regniko, no itsarako, ary ny fitsarako de marigna satrià tsy mitady ny sitrapoko manôkagna Zaho fô ny sitrapon'Izy zay nagnasa Anahy. 31Kôfa tôkony hagnambara ny momban'ny tegnako Zaho, de tsy marigna ny fagnambarako. 32Misy raiky hafa zay nagnambara ny momba Anahy, ary fantako fô marigny ny fagnambaragna zay nivolagniny momba Anahy.33Nasainy tagny amin'i Jaona anaré, ary nagnambara ny marigna izy. 34Kanefa ny fagnambaragna zay raisiko de tsy avy amin'ny ôlogna. Mivolagna izégny raha izégny Zaho mbô mety ho voavonjy anaré. 35Jaona de jiro nirehitra sy nagnazava, ary anaré nagniry ny hifaly vetivety takô amin'ny fahazavany.36Kanefa ny fagnambarako de mbôla maventy noho ny an'i Jaona, fô iré asa namian'ny Ray ho tantairahiko, iré asa zay ataoko iré, no magnambara ny momba Anahy fô nasain'ny Ray Zaho. 37Ny Ray zay nagnasa Anahy mihitsy no nagnambara Anahy. Tsy mbôla naharegny ny feony na nahita ny tavany anaré. 38Ary ny teniny tsy mbô mitoetra akô agnatinaré, satrià tsy mino lay nasainy anaré.39Mitady ny Sôratra Masigna anare satria heverinare fô akô amin'iré no anagnanaré fiainagna mandrakizay, ary iré Sôratra Masina iré foagna no magnambara momba Anahy, 40kanefa tsy vôgnona ny hagnatogna Anahy anaré mbô hanagnaré fiainagna.41Tsy mandray laza avy amin'ny ôlogna Zaho, 42satrià fantako fô tsisy fitiavagna an'Andriamanitra akô aminaré.43Tônga amin'ny agnaran'ny Raiko Zaho, nefa tsy raisinare. Kôfa misy hafa tônga amin'ny agnarany manôkagna, de ho raisinaré Izy. 44Akôry no hinoanaré, anaré zay mandray laza avy amin'ny ôlon-kafa kanefa tsy mitady ny laza zay avy amin'Andriamanitra tôkagna?45Aza mieritreritra hoe: Zaho no hiampanga anaré agnatrehan'ny Ray. Lay raiky miampanga anaré de Mosesy, zay nametrahanaré ny fagnantenagnaré. 46Kôfa nino an'i Mosesy anaré de tôkony hino Anahy, satrià nanôratra ny momba Anahy izy. 47Kôfa tsy mino iré nisoratany anaré, de ataonaré akôry no hino ny teniko?

Chapter 6

1Tafaran'iré raha iré, de lasa niampita ny ranomasin'i Galilia Jesosy, antsôvigna koà hoe ranomasin'i Tiberiasy. 2Nisy vahoaka maro nagnaraka Ananjy satrià hitanjaré iré ny famantaragna zay natôny tamin'iré narary. 3Niakatra an-tendrombohitra Jesosy ary nipetraka tagny niaraka tamin'iré mpianany Izy.4(Ary ny Paska, lay andro firavoravoan'ny Jiosy, de efa mariny.) 5Kôfa nizaha ambôny Jesosy ké nahita vahoaka maro be nagnantogna Ananjy, de Ahozy tamin'i Filipo hoe: "Aiza no hividianatsika môfo mbô hafahanjaré rè hômagna?" 6( Fô Jesosy nivôlagna izégny mbô hitsapagna an'i Filipo, fô efa fantany zay ho ataony.)7Ary Filipo namaly Ananjy hoe: "Na de môfo roanjato dinaria aza tsy ho ampy ho an'ny tsiraikiraiky na de kely avy aza." 8Raiky tamin'iré mpianatra, Andrea, ralahin'i Simona Petera, nivolagna tamin'i Jesosy hoe: 9"Misy lalahy raiky aketo managna môfo dimy sy lôka roy, fô ino iré magnoloagna reto ôlogna maro?"10Ary Jesosy nivolagna hoe: "Asaivo mipetraka ny ôlogna" (Ary feno ahitra také amin'ilay toeragna.) Ké de nipetraka iré ôlogna, také amin'ny dimy arivo také ny isany. 11Avy také Jesosy nalaka iré môfo kôfa avy nisaotra, de nirasa izégny tamin'iré zay nipetraka také. Karaha izégny koà no natôny tamin'ny hazandrano, maro araka zay nilain-jaré ré. 12Kôfa voky ny ôlogna, de ahozy taminjaré mpianany hoe: "Angono iré poetipoetiny tavela, mbô tsy hisy ho very."13Ké de nahonkonjaré izégny ké nahafeno bazary roy ambin'ny fôlo ny poetipoetiny môfo dimy sisa navelan'iré nihinagna. 14Avy také, kôfa nahita izégny famantaragna natôny izégny ny ôlogna, de ahozy zaré ré hoe: "Itô tokoà lay mpaminany zay ho tônga ho ety amin'izô tontôlo izô." 15Kôfa hitan'i Jesosy fô ho avy zaré ré halaka Ananjy sy hanandratra Ananjy an-keriny ho mpanjaka, de nierigna tagny an-tendrombohitra raiky ndraika Izy.16Kôfa hariva ny andro, de nirôrogna tagny amin'ny ranomasigna iré mpianany. 17Nankô agnaty sambokely zaré ré, ké niampita ny ranomasigna ho agny Kapernaomy. Efa maizigna tamin'izay, ary Jesosy mbôla tsy tônga také aminjaré foagna. 18Nisy rivotra nitsoka mafy, ary niha-nahery ny ranomasigna.19Kôfa nivory také amin'ny dimy amby roapôlo na telopôlo stadio také zaré ré, de nahita an'i Jesosy nandeha také amin'ny ranomasigna ary nariny ny sambokely, ké de natahotra zaré. 20Fô ahozy taminjaré hoe: ''Zaho foagna itô! Aza matahotra." 21Avy také de vôgnona ny handray Ananjy takô amin'ilay sambokely zaré ré, ary také no také de tônga tagny amin'ilay toeragna alehanjaré ré lay sambokely.22Amaraigna, hitan'iré vahoaka zay nitsangana tagny ampitan'ny ranomasigna fô tsisy sambokely hafa také afa-tsy lay raiky foagna, ary Jesosy tsy niditra takô niaraka tamin'iré mpianany fô nandeha raiky iré mpianany. 23Kôfa, nisy sambokely maromaro avy agny Tiberiasy také akaikin'ilay toeragna zay nihinanan-jaré ré môfo kôfa avy nisaotra ny Tompo.24Kôfa hitan'ny vahoaka fô tsy také na Jesosy na iré mpianany, de niditra takô agnaty sambokely zaré ré ary nakagny Kapernaomy hizaha an'i Jesosy. 25Kôfa hitanjaré ré tagny ampitan'ny renirano Izy, de ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Raby, oviagna Anô no tônga teto?"26Jesosy namaly anjaré ré, nagnano hoe: "Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô mizaha Anahy anaré, tsy nohon'ny nahitanaré famantaragna, fô nohon'ny nihinanaré ny môfo kè voky. 27Aza miasa ho an'ny hanigna mety ho levogna, fô miasà ho an'ny hanigna zay maharitra ho an'ny fiainagna mandrakizay zay hamian'ny Zanak'Ôlogna anaré, satrià Andriamanitra Ray no nagnisy tombo-kase taminanjy."28Avy také de ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Ino no tsy maintsy hataonay, mbô hanaovanay iré asan'Andriamanitra?" 29Jesosy namaly ké nagnano taminjaré ré hoe: "Izô no asan'Andriamanitra: de ny hinoanaré lay raiky zay nasainy."30Ké ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Ino ary no famantaragna ho ataonô, mbô hahitanay sy hinoanay anô? Ino no ho ataonô? 31Ny dadilahinay nihinagna ny mana tagny agn'efitra, araky ny voasôratra hoe: Namiany môfo avy agny an-dagnitra zaré ré hoanigna."32Avy také Jesosy namaly anjaré iré hoe: "Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô tsy Mosesy no nagnamia anaré ny môfo avy agny an-dagnitra, fô ny Raiko no magnamià anaré ny tegnany môfo avy agny an-dagnitra. 33Satrià ny môfon'Andriamanitra de lay mirôrogna avy agny an-dagnitra ké magnamià fiainagna ho an'izô tontôlo izô." 34Ké ahozy zaré taminanjy hoe: "Tompoko, amiavo anay mandrakariva izégny môfo izégny."35De ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: "Zaho no môfon'ny fiainagna; zay magnantogna Anahy tsy mbô tihinagna eky, ary zay mino Anahy tsy hangaitahaita eky. 36Kanefa efa nivolagniko taminaré fô nahita Anahy foagna anaré, nefa tsy mino. 37Ny jiaby zay omen'ny Raiko Anahy de hanatogna Anahy, ary zay magnatogna Anahy de tsy mbô ho ariako.38Fo nirôrogna avy agny an-dagnitra zaho, tsy mbô hagnano ny sitrapoko manôkagna, fô ny sitrapon'Izy zay nagnasa Anahy. 39Ary zô no sitrapon'Izy zay nagnasa Anahy, de ny tsy hanariako zay namiany Anahy jiaby, fô hanangagna anjaré amin'ny andro farany. 40Satrià zô no sitrapon'ny Raiko, de ny mbô hahazahoan'ny jiaby zay mahita ny Zanaka sy mino Ananjy ny fiainagna mandrakizay ary ho hatsangako amin'ny andro farany izy.41Avy takè nimenimenigna mômba Ananjy ire Jiosy satrià Izy nivôlagna hoe: ''Zaho no môfo nirôrogna avy agny an-dagnitra.'' 42Ary ahozy zaré ré hoe: "Tsy lay Jesosy zanak'i Josefa mô io, zay tsy haintsika mô ny ray aman-dreniny? Nagnino ariky volagniny hoe: 'Nirôrogna avy agny an-dagnitra Zaho'?''43Jesosy namaly ké nagnano taminjaré ré hoe: " Adokoà ny menimenigna agnivonaré. 44Tsisy ôlogna afaka magnantogna Anahy kôfa tsy ny Ray zay nagnasa Anahy no mitôgno ananjy, ary hantsangako izy amin'ny andro farany. 45Izégny de voasôratra akô amin'ny bokin'ny mpaminagny hoe: 'Hampianarin'Andriamanitra izy jiaby.' zay maregny jiaby sy nianatra tamin'ny Ray no magnatogna Anahy.46Tsisy nahita ny Ray, afa-tsy zay avy amin'Andriamanitra, izy no nahita ny Ray. 47Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô zay mino no managna fiainagna mandrakizay.48Zaho no môfon'ny fiainagna. 49Ny Dadilahinaré nihinagna ny mana avy tagny agn'efitra, ké naty zaré ré.50Itô ny môfo mirôrogna avy agny an-dagnitra, mbô tsy ho foaty zay homagna amin'izagny. 51Zaho no môfo velogna mirôrogna avy agny an-dagnitra. Kô misy ôlogna hômagna amin'itô môfo itô, de velogna mandrakizay izy. Ny môfo zay hamiàko no nôfoko ho an'ny fiainan'izô tontolo izô.''52Naha-vignitra iré Jiosy ké nanomboka niady hevitra, nagnano hoe: "Akôry no afahan'io lalahy io magnomià antsika ny nôfony hoanigna?'' Ary Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: 53"Volagniko aminaré marigna de marigna tokoà, fô kôfa tsy hômagna ny nôfon'ny Zanak'Ôlogna anaré sy misotro ny ràny de tsy hanagna fiainagna akô aminaré.54Na zôvy na zôvy hômagna ny nôfoko sy misotro ny ràko de managna fiainagna mandrakizay, ary hantsangako izy amin'ny andro farany. 55Fô ny nôfoko no tegna fihoànigna, ary n'y ràko no tegna fisotro. 56Zay hômagna ny nôfoko sy misotro ny ràko no mitoetra Aminahy, ary Zaho akô aminanjy.57Karaha ny nagnasan'ny Ray velogna Anahy, sy karaha ny hivilômako nohon'ny Ray, zay hômagna Anahy, de ho velogna koà noho ny Aminahy. 58Itô lay môfo nirôrogna avy agny an-dagnitra, tsy karaha ny Dadilahy nihinagna ké naty. Zay hômagna itô môfo itô de ho velogna mandrakizay.'' 59Fô Jesosy nivôlagna iré raha iré takô amin'ny Synagoga kôfa nampianatra takô Kapernaomy Izy.60Ary maro tamin'ire mpianany zay naregny izégny no nivôlagna hoe: "Fampianaragna sarotra izégny; zôvy no afaka hagneky izégny?" 61Jesosy, noho Izy nahafantatra taminanjy fô nimenimenigna tamin'izégny iré mpianany, nivôlagna anjaré ré hoe: "Manafitohigna anaré mô izégny?62Koà karakôry kôfa tôkony hahita ny zanak'Ôlogna miakatra agny amin'ny nitoerany talôha anaré? 63Ny Fagnahy no magnamià fiainagna; ny nôfo tsy ahazahoàgna na ino na ino. Iré teny zay nivolagniko taminaré de fagnahy, ary fiainagna iré.64Mbôla misy ny sanany aminaré tsy mino.'' Fô Jesosy efa nahafantatra hatramin'ny vôlôhany zay tsy hino sy zay hamadika Ananjy. 65Ahozy Izy hoe: ''Noho izégny no nivolagniko taminaré fô tsisy ôlogna afaka magnatogna Anahy kôfa tsy namiàn'ny Ray Ananjy izégny.''66Noho izégny, maro tamin'iré mpianany no lasagna ary tsy niara-dià taminanjy eky. 67De ahozy Jesosy taminjaré roy ambin'ny fôlo hoe: "Tsy te-handeha koà mô anaré, sa tsia? 68Ary Simona Petera namaly Ananjy hoe: "Tompo, ho agny amin-jôvy mô zahay? Anô no managna ny teny fiainagna mandrakizay, 69ary nino zahay ké magnatogna mbô hahafatatra fô Anô no lay Masign'Andriamanitra.''70Aozy Jesosy taminjaré ré hoe: ''Tsy Zaho mô no nifidy anaré, roy ambin'ny fôlo, ary ny raiky aminaré de devoly?'' 71Ary Jodasy zanak'i Simona Iskariota no volagniny, satrià izy, lay raiky amin'izy roy ambin'ny fôlo zay hamadika an'i Jesosy.
Chapter 7

1Tafaran'iré raha iré Jesosy de nandeha tagny Galilia, fô tsy te-ho agny Jodia anefa Izy noho iré Jiosy mitady hamono Ananjy. 2Ary efa mariny ny andro firavoravoan'ny Jiosy ny Tabernakely.3Noho izégny irè ralahiny nivôlagna taminanjy hoe: "Mialà amin'itô toeragna itô ary mandihana agny Jodia, mbô hafahan'irè pianatranô mahita irè asa atônô ihany koà. 4Tsisy ôlo magnano raha misitrika izégny kôfa izy tegnany ary te-ho fantatra ampahibemaso. Kôfa magnano irè raha irè anô, de miseo amin'izô tontolo izô.''5Fô na irè ralahiny aza tsy nino Ananjy. 6Noho izêgny Jesosy nivôlagna ananjy irè hoe: "Mbôla tsy tônga ny fotoagnako, fô ny fotoagnare ndraiky de vôgnona lalandava. 7Tsy afaka ny tsy hitià anare izô tontôlo izô, fô Zaho no halany satrià magnambara fô ratsy irè asany.8Anaré miakara agny amin'ny firavoravoagna; fô Zaho ndraiky tsy handeha amin'izégny satrià tsy mbôla tônga ny fotoagnako.'' 9Tavafaran'ny nivôlagnany irè raha irè ananjy irè, de nijanogna takô Galilia Izy.10Fô kôfa niakatra tagny amin'ny firavoravoagna irè ralahiny, de niakatra tagny ihany koà Izy avaké, tsy nisehoseho fô niafigna. 11Nitady ananjy tagny amin'ny firavoravoagna irè Jiosy ary nivôlagna hoe: "Akeza Izy?''12Nisy koranam-be momba Ananjy tagnivon'iré vahoaka. Ny sanany nivôlagna fô: "Lalahy tsara Izy." Iré hafa mivôlagnna hoe: "Aha, mitarika ny vahoaka agny amin'ny fahaverezagna Izy." 13Ary tsisy sahy nivôlagna ampahibemaso momba Ananjy nohon'ny fahatahoragna iré Jiosy.14Kôfa nisasaka ny firavoravoagna, de niakatra tagny amin'ny Tempoly Jesosy ary nanomboka nampianatra. 15Avy také de magnana iré Jiosy, magnano hoe: "Akôry no hahaizan'io lalahy io izégny raha jiaby izégny? Izy tsy mbô nandalo fianaragna mihintsy." 16Jesosy namaly anjaré ré ké nagnano hoe: "Tsy Aninahy ny fampianarako, fô avy Aminanjy zay nagnasa Anahy.17Kôfa misy ôlogna magniry hagnano ny sitrapony, de hahafantatra momban'io fampianaran'io izy, na avy amin'Andriamanitra izégny, na Zaho no mivôlagna avy amin'ny tegnako. 18Na zôvy na zôvy mivôlagna avy amin'ny tegnany de mizaha ny voninahitry ny taignany manokana, fô na zôvy na zôvy mizaha ny voninahitr'izay nagnasa ananjy, de io ôlogna io no marigna, ary tsisy fahamarinagna akô aminanjy.19Tsy namiàn'i Mosesy anare mô ny lalàgna? Kanefa tsisy aminaré mitandrigna ny lalàgna. Nagnino anaré no mizaha hamono Anahy?'' 20Namaly ny vahoaka hoe: "Anô de misy demonia. Zôvy koa no mizaha hamono Anô?"21Jesosy namaly ké nivôlagna anjaré ré hoe: "Asa raiky no nataoko, ary de managna noho izégny aby anaré. 22Namian'i Mosesy ny famoràgna anaré (tsy hoe avy amin'i Mosesy izégny, fô avy amin'iré razagna), ary amin'ny Sabata de mamôra ôlogna anaré.23Kôfa amin'ny Sabata no amoragna ny ôlogna mbô tsy ho voadika ny lalàgnan'i Mosesy, de nahoana anaré no vignitra Aminahy kôfa nampahivagna tanteraka ôlogna raiky tamin'ny Sabata Zaho? 24Aza mitsara amin'ny endrika ivailany, fô mitsarà am-pahamarinagna."25Nisy sanagny tamin'iré avy agny Jerosalema Nivôlagna hoe: "Tsy itô vô lay tadiavinjare ho vonigna?'' 26Zahà, miresaka miarihary Izy, ary tsisy mivôlagna na ino na ino Ananjy zaré ré. De ho fantatrin'ny mpitôndra tokoà vô fô Izy no Kristy, sa karakôry? 27Efa haintsika hoe avakeza io lalahy io. Fô kôfa tônga lay Kristy, de tsy hisy hahafantatra hoe avakeza Izy.''28Avaké nihiàka mafy Jesosy takô an-Tempoly, nampianatra ké nivôlagna hoe: "Anaré de samy mafantatra ny tegnako ary mahay ny fiaviàko. Tsy tônga nohon'ny tegnako manôkana Zaho, fô lay nagniraka Anahy de marigna, ary tsy fantanaré Izy. 29Fantako Izy satrià Zaho de avy aminy ary Izy no nagniraka Anahy.''30Niezaka ny hanambotra Ananjy zare ré, fô tsisy naninji-tagnana taminanjy satrià tsy mbôla tônga ny fotoagnany. 31Kanefa maro tamin'iré vahoaka no nino Ananjy, ary ahozy zaré ré hoe: "Kôfa tônga lay Kristy, mô hagnano famantaragna maro noho ny vitan'io lalahy io vô Izy ?'' 32Naregny ny vahoaka nihisikisika irè raha momban'i Jesosy irè ny Fariseo, ké ny lôhan'ny mpisôrogna sy iré Fariseo de nagniraka mpiandry raraha hagnambotra Ananjy.33Ahozy Jesosy avaké hoe: ''Hely sisa ny fotoagna hiarahako aminaré, de handeha ho agny amin'ilay nagniraka Anahy Zaho. 34Hitady Anahy anaré fô tsy hahita Anahy; zay handianako, tsy ho azonare handianagna.''35Noho izégny irè Jiosy de nifampiresaka hoe: " Fô handeha ho eza io lalahy io no tsy ho vitantsika ny hizaha Ananjy? Handeha ho agny amin'iré zay nipetraka agny amin'ny Grika de hagnanatra iré Grika vô? 36Ary ino ny dikan'ny teny nivolagniny hoe: 'Hizaha Anahy anaré fô tsy hahita Anahy; zay handianako, tsy ho azonaré andihanagna'?"37Ary tamin'ny farany, andro maventy amin'ny andro firavoravoagna, de nitsangagna Jesosy ary nivôlagna mafy, magnano hoe: "Kôfa misy mangetaheta, ambilay izy hagnantogna Anahy ary hisotro. 38Zay mino Anahy, araka ny voalazan'ny Sôratra Masigna, de hikoriagna avy akô an-kibony ny onin'ny rano velogna."39Fô izô no ambarany momban'ny Fagnahy, iré zay nino Ananjy no handray; lay Fanahy de tsy mbôla namiagna satrià tsy mbôla nahazo voninahitra Jesosy.40Ny sanany tamin'iré vahoaka, kôfa nandre irè teny iré, de nivôlagna hoe: "Itô tokoà lay mpaminany." 41Iré hafa nivôlagno hoe: "Itô lay Kristy." Fô ny sanany nivôlagna hoe: "Fô Kristy avy agny Galilia? 42Tsy voavôlagnan'ny Sôratra Masigna mô fô Kristy de ho avy amin'ny taranak'i Davida ary avy akô Betlehema, lay tanàgna zay nisy an'i Davida?"43Ké nisy fizaragna také amin'ny vahoaka noho Izy. 44Ny sanany taminjaré ré te-hisambotra Ananjy, fô tsisy naninji-tagnana taminanjy.45Avy také iré mpiandry raharaha nierigna tagny amin'iré lôhan'ny mpisorogna sy iré Fariseo, zay nivôlagna taminjaré ré hoe: "Nagnino anaré no tsy nitondra Ananjy?" 46Namaly iré mpiandry raharaha hoe: "Tsy mbôla nisy nivôlagna karaha izégny mihintsy."47Noho izégny iré Fariseo namaly ananjy iré hoe: "Voafitaka ihany koà vô anaré? 48Mô nisy tamin'iré mpanapaka mbô nino Ananjy, na tamin'iré Fariseo? 49Fô iré vahoaka iré de tsy mahalala ny lalàgna, voaôzogna iré."50Nikodemosy (araiky amin'iré Fariseo, zay tônga mialoha také aminy), nivôlagna hoe: 51"Mô lalàgnatsika mô mitsara ôlogna mialohan'ny handrenesagna ananjy ké ahafantaragna zay nataony?" 52Namaly zaré ré ké nivôlagna taminanjy hoe: "Avy agny Galilia koà mô Anô? Mikaroha ké zahà fô tsisy mpaminany avy agny Galilia."53(Fagnamarihagna: Ny dika-teny talôha tsara indrindra de tsy ahitagna ny Jaona 7: 58-8: 11) [Avy akê ny tsirairay nankany an-tragnony avy.
Chapter 8

1(Fagnamarihagna: Zahà ny fagnamarihagna momban'i Jaona 7:53-8: 11 etsy ambony) Nankagny an-tendrombohitr'i Oliva Jesosy. 2Vao mandregna de nakegny an-tempoly ndray Izy, ary ny ôlogna jiaby nagnatogna Ananjy; nipetraka Izy ary nampianatra anjaré ré. 3Iré mpanora-dalàgna sy iré Fariseo de nitôndra viavy raiky tratra nijangajanga. Napetrakan-jaré ré také agnivony izy.4(Fagnamarihagna: Zahô ny fagnamarihagna momban'i Jaona 7:53-8:11 ambôny) Avaké ahozy zaré ré taminanjy hoe : "Ry mpampianatra ô, itô viavy itô de tratra tam-pijangajangagna. 5Ary akô amin'ny lalàgna, Mosesy nibeko zahay mbô hitôra-bato ny ôlo karaha izégny; ino no ambaranô moba ananjy?'' 6Nilazainjaré ré hamandrihagna Ananjy eky, nefa izégny mbô afahanjaré ré magnameloka Ananjy, fô Jesosy ndraiky niondrika ary nanôratra tamin'ny rantsa-tagnany.7(Fagnamarihagna: Zahà ny fagnamarihagna momban'i Jaona 7 :53-8:11 aké ambôny) kôfa nametraka fagnontaniagna taminanjy foàgna zaré ré, de nitsangagna Izy ké nivôlagna ananjy irè hoe: "Zay tsy nanota taminaré, ôka izy no hambalavala vato ananjy voalôhany.'' 8De niondrika ndraiky Izy, ary nanôratra tamin'ny tany tamin'ny rantsa-tagnany.9(Fagnamarihagna: zahà ny fagnamarihagna momban'i Jaona 7 :53-8:11 aké ambôny) Kôfa naregny izégny zaré ré, de niala tsiraikaraika, nanomboka tamin'ny zôkiny be. Ary ny farany de Jesosy raiky foagna no tavela takè, niaraka tamin'ilay viavy zay také tantegnantegnany. 10Nitsangagna Jesosy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Raviavy, fô lasa akeza iré mpagnameloka anô? Tsisy nagnameloka anô vô?'' 11Ahoziny zaré hoe : "Tsisy, Tompoko.'' Ary ahozy Jesosy hoe: "Tsisy magnameloka anà Zaho. Mandihana ké aza manota koà.'']12Nivôlagna taminjaré ré ndraiky Jesosy, magnano hoe: "Izaho no fahazavagn'izô tontôlo izô; zay magnaraka Anahy de tsy handeha amin'ny haizigna fô hanagna ny fahazavagnan'ny fiainagna.'' 13Ahozy iré Fariseo taminanjy hoe: "Anô de magnambara ny taignanô; tsy marigna ny fagnambaragnanô.''14Jesosy namaly ké nagnano taminjaré ré hoe: "Na de magnambara ny tegnako aza Zaho, de marigna ny fagnambarako. Fantako ny nihaviàko sy ny lalagna ingianako, fô anaré ndraiky tsy mahafantatra zay nihaviàko na zay ingianako. 15Anaré de mitsara araky ny nôfo; fô Zaho tsy mitsara na zôvy na zôvy. 16Na de mitsara aza Zaho; de marigna ny fitsarako satrià tsy tôkagna Zaho, fô miaraka amin'ny Baba zay nagniraka Anahy.17Ia, ary akô amin'ny lalàgnanare de voasôratra fô marigna ny fijoroan'ny ôlon-droy vavolambelogna. 18Zaho no nagnambara ny tegnako, ary i Baba zay nagniraka Anahy foagna koà de magnambara Anahy.''19Ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Akeza ny babanô?'' Jesosy namaly hoe: ''Tsy fantanaré na Zaho na ny Raiko; kôfa nafantatra Anahy anaré, de mafantatra ny Raiko foagna koà.'' 20Tankilan'ny fandatsahan- drakitra Izy no nivôlagna izégny koragna izégny kôfa igny Izy nampianatra také amin'ny tempoly igny, ary tsisy nisambotra Ananjy satrià tsy mbôla tônga ny lera.21Ary ahozy taminjaré ré hoe: ''Andeha Zaho; hizaha Anahy anaré ké ho foaty amin'ny fahotanaré. Zay ingianako, de tsy azonaré hingianagna. 22Ahozy irè Jiosy hoe: ''Hamono Tegna vô Izy? Izégny vô no antony nivôlagnany hoe: 'Zay ingianako, de tsy azonare handianagna'?''23Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: "Avy atô ambany anaré; Zaho ndraiky avy agny ambôny. Avy amin'izô tontôlo izô anaré; fô Zaho tsy avy amin'izô tontôlo izô. 24Noho izégny, nambarako taminaré fô ho foaty akô amin'ny fahotanaré anaré. Fô kôfa tsy mino anaré fô Zaho no Izy, de ho faty amin'ny fahotanaré anaré.''25Noho izégny de ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Zôvy mô Anô?'' Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: "Araka zay nivôlagniky taminaré hatragny am-bôalôhany. 26Managna raha betsaka ho koragnina sy hitsaràgna momba anaré Zaho. Kanefa, Izy zay nagniraka Anahy de marigna; ary iré raha zay regniky avy taminanjy, de hivôlagniko amin'izô tontôlo izô.'' 27Tsy azonjaré ré anefa fô Izy de nikoragna taminjaré mômba ny Ray.28Ahozy Jesosy hoe: "Kôfa asandratraré ny Zanak'Ôlogna, de ho fantatraré fô zaho no Izy, ary tsy magnano na ino na ino ho Anahy Zaho. Araka ny nampianaran'ny Ray Anahy, no hivolagnako irè raha irè. 29Izy zay nagniraka Anahy de miaraka aminahy, ary tsy namela Za raiky Izy, noho Zaho magnano zay ankasitrahany mandrakariva.'' 30Kôfa nivôlagna iré raha iré Jesosy, de betsaka no nino Ananjy.31Jesosy Nivôlagna tamin'iré Jiosy zay nino Ananjy hoe : ''Kôfa mitoetra amin'ny teniky anaré, de ho tegna pianatranahy; 32ary ho fantatraré ny marigna, ary ny marigna hagnafaka anaré.'' 33Ary zaré namaly Ananjy hoe: "Taranak'i Abrahama zahay ary tsy mbôla nadivosin-jôvy na izôvy hatrizay; koà karakôry no hilazanô hoe: 'Ho afaka anare'?''34Jesosy namaly ananjy iré hoe:''Volagniky aminaré, marigna, de marigna tokoà fô iré zay manota de andevon'ny ota. 35Ny andevo de tsy mipetraka akô an-dragno mandrakizay; fô ny zanaka no mitoetra mandrakizay. 36Noho izégny, kôfa ny Zanaka no magnafaka anaré, de ho afaka tokoà anaré.37Fantako fô taranak'i Abrahama anaré; mitady zay hamonoagna Anahy satrià tsy managna toeragna akô aminaré ny teniky. 38Mivôlagna zay hitako niaraka tamin'ny Babako Zaho, ary anaré koà magnano zay regninaré tamin'ny babanaré.''39Namaly zaré ré ké nivôlagna taminanjy hoe: "Abrahama no babanay.'' Jesosy nivôlagna ananjy iré hoe: ''Kôfa zanak'i Abrahama anaré, de hagnano ny asan'i Abrahama. 40Kanefa, avaizo anaré mitady hamono Anahy, zay lalahy Nivôlagna taminare ny marigna zay regniky tamin'Andriamanitra. Abrahama tsy nagnano izégny. 41Anaré de magnano ny asan'ny babanaré.'' Ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Tsy teraka tamin'ny fijangajangagna zahay; raiky foagna ny Babanay: de Andriamanitra.''42Jesosy nivôlagna azy irè hoe: "Ra Andriamanitra no babanare, de tôkony ho tià Za anare , satrià avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nandianako atô; fô tsy tônga ho azy Za, fô Izy no nagniraka Za. 43Nagnino no tsy azonare ny teniky ? Zegny de satrià tsy afaka hagneky ny teniky anare. 44Avy amin'ny babanare anare, lay devoly, ary ny tiànare atô de ny filagna zay natôn'ny babanare. Mpamono ôlogna hatramin'izay izy ary tsy mijoro amin'ny famarinagna satrià tsisy marigna akô aminy. Kôfa mandainga Izy , de ny toetra fatôny ihany no lazainy satrià mpandainga Izy ary baban'ny lainga.45Kanaifa, satrià milaza ny marigna Za, de tsy mino anare. 46Zôvy aminare no magnameloka Za amin'ny fahotagna? Ra mivôlagna ny marigna Za, nagnino no tsy hinoanare? 47Zay avy amin'Andriamanitra de maregny ny tenin'Andriamanitra; tsy maregny zegny anare satrià tsy avy amin'Andriamanitra.''48Namaly irè Jiosy ke nivôlagna taminy hoe: Moa ve tsy milaza ny marigna zahay fô Samaritana Anô ary misy devoly? 49Jesosy namaly hoe: "Tsisy devoly Za, fô magnamià voninahitra ny Raiko, ary anaré tsy magnomia voninahitra Anahy.50 Tsy mitady ny voninahitranahy Za; misy raikia mitady sy mitsara. 51Volagniky aminare, marigna , de marigna tokoàtra, fô ra misy mitandrigna ny teniky, de tsy hahita fafataisagna mandrakizay izy.''52Ahozy irè Jiosy taminy hoe :" Avaizo fantanay fô managna devoly Anô. Aifa maty Abrahama sy irè paminany; kanaifa anô milaza hoe: 'Ra mitandrigna ny teniky, de tsy hahita fafataisagna mandrakizay Izy.' 53Tsy maventy noho Abrahama Babanay, zay aifa maty Anô, sa ve maventy ? Irè paminany ihany koà de maty. Magnano ny taignanô izôvy Anô?''54Jesosy namaly hoe :"Ra mankalaza ny teniky Za , de ho tsinontsinogna ny voninahitranahy; ny Babako zay atônare ho Andriamanitra no mankalaza Za. 55Tsy fantanare Izy, fô Za mafantatra Ananjy. Ra milaza Za hoe: 'Tsy mafantatra Ananjy Za, de ho kara anare, mpandainga. Kanaifa, fantako Izy kay mitandrigna ny teniny Za. 56Ny babanare de nifaly nahita ny androko; nahita zegny de faly.''57Ahozy irè Jiosy taminy hoe: "Mbôla tsisy dimampôlo tôgna anô, kay de aifa nahita an'Abrahama ve?'' 58Ary ahozy Jesosy taminjare hoe :" Volagniky aminare, marigna, de marigna tokoàtra, fô talôhan'ny natirahan'i Abrahama, de Za no Izy. 59''Avake de nalaka vato hivalavalagna Ananjy zare, fô Jesosy kôza nitodika kay nivoàka ny tempoly.

Chapter 9

1Ary kôfa nandalo Jesosy, de nahita lalahy jamba letry vao tairaka. 2Nagnontany Ananjy ré mpianatra hoe: "Raby, zôvy nanota, io lalahy io sa lay ray aman- dreniny, no de tairaka jamba karanjô izy?"3Jesosy namaly hoe: "Tsy io lalahy io nanota, na ny ray aman- dreniny, fô natô zô mbô hanihoagna aminajy ny asan'Andriamanitra. 4Tsy maintsy magnano asan'zay nagnasa Anahy antsika kô mbôla mazava. Fô ho avy ny aligna zay tsy ahafahan'na izôvy na izôvy miasa eky. 5Kô mbôla akéto amin'izao tontolo zao Zaho, de Zaho no fahazavan'izao tontolo zao.''6Kôfa avy nivôlagna zagny Jesosy, de nandrôra tamin'ny tany, ary nagnano feta tamin'lay rôra, kai nagnôsotra ny fôtaka tamin'ny mason'lay lalahy. 7Aoziny taminanjy hoe: ''Mandihana ary sasa agnaty ranon'ny Siloama (zay adika hoe: nirahina) ny masonô.'' Kai lasagna i lalahy io, nanasa zagny, ary niherigna nahita.8Ary nifampagnotany ré ôlogna mpiray vody rindrigna tamin'ny lalahy io sy ré nahita ananjy nangataka talôha nagnano hoe: "Tsy tô mô lalahy nipaitraka nangataka taketo?'' 9Ny sanany nagnano hoe: "Ahay, tsy izy fô karaha ananjy foàgna izy.'' Fô izy ndraiky nagnano hoe: ''Zaho tô.''10Aozinjaré taminanjy hoe: ''Karakôry ariky no ahitan'ny masonô?'' 11Namaly izy hoe: "Lay lalahy antsôvigna hoe Jesosy no nagnano feta ary nagnôsotra zaigny tamin'ny masoko kai nivôlagna taminahy hoe: 'Mandihana agny Siloama ary sasao ny masonao.' De nandaiha zaho ary nanasa zagny kai nahita.'' 12Aozinjaré taminanjy hoe: "Aiza Izy?'' De nivaliany hoe: "Tsy fantako."13Nindôsinjaré tamin'ny Fariseo lay lalahy zay jamba talôha. 14Tamin'ny andro Sabata mô nagnanôvan'i Jesosy ny feta sy nampahitany ny masony. 15Ary nagnontany ananjy ndraiky iré Fariseo ny amin'ny fomba nahitàny. Aoziny taminjaré hoe: ''Natôvany feta ny masoko, nisasako, kai mahita za zô.''16Ny sanany taminjaré fariseo nivôlagna hoe: "Tsy avy amin'Andriamanitra tô lalahy tô satrià tsy mbô magnaja ny andro Sabata.'' Ny hafa nagnano hoe: "Akôry no ahafahan'ny ôlogna mpanota magnano famantaragna maventy be karahanjô?'' 17Kai nisy fizarazaragna taminjaré. Kai niherigna nagnontany lay lalahy jamba ndraiky zaré hoe: "Ino no hambaranô mômba Ananjy, hatramin'ny nahitany ny masonô?'' Aozin'lay lalahy jamba hoe: "Mpaminagny Izy.'' 18Ary mbôla tsy nino ny mômba Ananjy foàgna iré Jiosy hoe izy aifa jamba kai nahita kô tsy nagnantso ny ray aman- drenin'lay lalahy nahita zaré.19Nagnontany iré ray aman-dreny zaré hoe: "Tô mô lay zanakaré zay nivolagninaré fô tairaka jamba? Kai ino ariky nahitany zô?'' 20Ary de nivaliànjaré hoe: "Fantanay fô zanakanay io sady tairaka jamba izy. 21Fô ny amin'ny nahitany, tsy fantanay, ary zay nampahita ny masony, tsy hainay. Agnontanià ananjy, fô aifa maventy izy. Afaka mivôlagna ho an'ny taignany izy."22Nivôlagna zagny iré ray aman-dreniny, satrià natahotra an'ré Jiosy zaré. Satrià aifa nifankariny iré Jiosy fô kô misy magneky Ananjy ho Kristy, de hiroàhigna hiala ao amin'ny Synagoga izy. 23Nohon'ny amin'izagny, no nivolagn'iré ray aman-dreniny hoe: "Aifa maventy izy, izy no agnontanià."24Ary nagnantso lay lalahy jamba talôha am-pagnindroa ndraiky zaré kai nivôlagna taminanjy hoe: "Amià voninahitra Andriamanitra. Fantanay fô mpanota zagny lalahy zagny." 25Avy te namaly lai lalahy hoe: "Tsy aiky alôha na mpanota Izy. Fô raha aiky de zô: jamba za talôha, fo mahita zaho zô."26Avy te aozin-jaré taminanjy hoe: "Fô ino no natôny taminô? Akôry ny fomba nampahitany anô?" 27De namaly izy hoe: "Aifa nivolagniko taminaré fô tsy tandignaisanaré! Kai magnino anaré no te hitandregny zagny koà? Te ho isan'ny mpianany kô mô naré, sa tsy zagny?" 28Nagneso ananjy zaré kai nivôlagna hoe: "Anô no mpianany, fô zaihay mpianatr'i Mosesy. 29Fantanay fô aifa nikoragna tamin'i Mosesy Andriamanitra, fô kô zagny lalahy zagny de tsy hainay zay nihaviàny.''30De namaly lay lalahy kai nagnano taminjaré hoe: "Magaga zagny, tsy hainaré tany fiàviany, kanaifa nampahita ny masoko Izy. 31Fantatsika fô tsy mintandregny ré mpanota Andriamanitra, fô kô misy mazoto mivavaka sy magnano ny sitrapony, de mitandregny anajy Izy.32Hatraminjay niatombohan'izao totonlo zao de tsy mbôla regny mihitsy hoe nisy nampahiratra ny mason'izay tairaka jamba. 33Ko tsy avy amin'Andriamanitra zagny lalahy zagny, de tsy mahaifa na ino na ino.'' 34De namaly ananjy zaré hoe:" Taigna tairaka tamin'ny ota anô, de anô ndraiky no hampianatra anay?" Avy te de hiroàhigna nivoàka izy.35Regnin'i Jesosy fô niroahin-jaré amin'ny Synagoga izy. Ary Izy nahita ananjy de nivôlagna hoe:"Mino ny zanak'Ôlogna mô ana? 36Namaly izy hoe:'' Zôvy mô Izy, Tompo, mbô hinoàko Ananjy?'' 37Jesosy nagnano taminanjy hoe: "Aifa nahita Ananjy anô, ary lay raika Zay mikoragna aminô zô zaigny." 38Aozin'lay lalahy hoe: "Tompo mino zaho." Ary de nidaira Ananjy izy.39Jesosy nivôlagna hoe: "Fô fitsaragna no nahatongavako akéto amin'ny zao tontolo izao mbô hahiratra iré jamba ary mbô ho tonga njamba iré mahita.'' 40Naregny zagny ny sanany tamin'iré Fariseo zay niaraka taminanjy kai nagnontany Ananjy hoe: ''Ary zaihay koà zagny jamba?'' 41Fô Jesosy nivôlagna taminjaré hoe''Kô jamba anaré, de tsy ho nanan-keloka, fô anaré ndraiky aminjô mivôlagna hoe: 'Mahita zaihay,' de mbôla mitoetra ny helokaré.''

Chapter 10

1"Volagniky aminare, marigna, de marigna tokoàtra, fô zay tsy miditra ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fô magnanika lalagna hafa, de mpangalatra sy mpandrôba izy. 2Fô zay miditra ny vavahady kôza no mpiambigna ondry tsara.3Izy no vahan'ny mpiambigna vavahady. Maregny ny feony ny ondry, ary izy magnantso ny ondriny manôkagna amin'ny agnarany kay mitôndra ananjy mivoàka. 4Kôfa namoàka ny ananjy jiaby izy, de nialôha lalagna ananjy irè, ary magnaraka ananjy ny ondriny, satrià mahay ny feony.5Ary tsy hagnaraka vahiny izy irè fô hilaifa ananjy kôza, satrià tsy hainy ny feon'ny vahiny.'' 6Jesosy nivôlagna zegny fagnoaragna zegny taminjare, kanaifa tsy azonjare akory irè raha nivôlagnina taminjare.7De ahozy Jesosy taminjare hoe: "Volagniky aminare, marigna de marigna tokoàtra, fô Za no vavahadin'ondry. 8Zay jiaby tônga talôhako de mpangalatra sy mpandrôba, satrià tsy nihaino ananjy irè ny ondry.9Za no vavahady. Ra misy miditra akô amin'ny alalako, de ho voavonjy izy; hiditra sy hivoàka izy ary hahita ny fihinanagna. 10Fô ny mpangalatra tsy avy ra tsy hangalatra sy hamono ary handrava. Fô Za kôsa avy mbô hanagnanjare fiainagna ary hanagna zegny be.11Za no mpiambigna tsara. Ny mpiambigna tsara de magnamià ny aignany hamonjiagna ny ondriny. 12Ny mpikarama de tsy mpiambigna ary tompon'ondry. Ra nahita ambôdia magnantogna izy de hiàla ny ondry kay hilaifa, ary ny ambôdia manambotra sy mampiparaitaka azy irè. 13Milaifa izy satrià mpikarama kay tsy miasalôha ny ondry.14Za no mpiambigna ondry tsara, ary fantako ny Anahy, ary fantany Za. 15Ny Babako mahay Za, ary Za magnamià ny aigniako ho an'ny ondry. 16Managna ondry hafa zay tsy amin'itô vala itô Za. Tsy maintsy hindôsiky ihany koà iregny, ary zare haregny ny feoko mbô ho tônga andiàny raika ihany sy mpiambigna raika.17Izô no antony nitiavan'ny Baba Za: mafoè magnamià aigniako Za mbô handraisako zegny ndraikia. 18Tsisy magnala zegny aminahy, fô ny taignako ihany no magnamià zegny. Managna fahifagna hagnamia zegny Za, ary managna fahifagna hialaka zegny ndraiky. Zegny didy zegny de azoko avy tamin'ny Babako.''19Nisy fizarazaragna ndraiky tamin'ire Jiosy noho irè teny irè. 20Maro taminjare no nivôlagna hoe: "Managna devoly Izy ary very saigna. Nagnino anare mitandregny Ananjy?'' 21Ny sanagny nivôlagna hoe: "Tsy fivolagn'ôlo misy devoly zegny. Moa ny afaka mampahiratra ny jamba?''22Avake tônga ny fetin'ny fanokanagna takô Jerosalema. 23Rirignina tamin-jegny, ary Jesosy nitsangagna také amin'ny kianjan'ny tempoly tamin'ny fialôfan'i Solomona. 24Avake nitangorôgnan'ire Jiosy Izy ary nivôlagna taminy hoe: Mandrapaha- rahoviagna no hampisalasalanô zaihay ? Ra Anô no Kristy, de hambarô miarihary aminay.''25Ary Jesosy namaly azy irè hoe: "Aifa nivôlagna taminare Za, fô anare tsy mino. Irè asa zay atôko amin'ny agnaran'i Babako, irè no magnambara ny mikasika Anahy. 26Kanaifa anare tsy mino satrià tsy mbô ondriky.27Maregny feoko ny ondriky; fantako zare, ary magnaraka Za. 28Amiàko azy irè ny fiainagna mandrakizay zare ; kay tsy hifoaty mandrakizay zare, ary tsy hisy handrômbaka ananjy eo am-pailatanako.29Ny Babako, zay nagnamia irè Za, de maventy noho ny hafa jiaby, ary tsisy mavita mandrômbaka azy irè eo am-pailatagnan'ny Baba. 30Za sy Baba de raika ihany.'' 31Avake nalaka vato ndraiky irè Jiosy mbô hambalavala vato Ananjy.32Ary Jesosy namaly azy irè hoe: "Maro ny asa tsara natoroko anare avy tamin'ny Baba. Koa ino tamin'ire asa iregny no hambalavalanare vato Anahy ?'' 33Namaly Ananjy irè Jiosy hoe: "Tsy ny asa tsara no hambalavalanay vato anô, fô ny fivolagnan-dratsy, satrià anô, ôlombelogna, de magnano ny taignanô ho Andriamanitra.''34Namaly azy irè Jesosy hoe: "Tsy aifa voasôratra akô amin'ny lalàgnanare ve hoe: 'Ahozy Za hoe: "andriamanitra anare'''? 35Ra nagnantso iregny ho andriamanitra izy , de ho anjôvy zegny no niaviàn'ny tenin'Andriamanitra (ary ny Sôratra Masigna de tsy azo foàgnana ), 36moa ve lay nohamasin'ny Baba sy nirahigna ho amin'izô tontolo izô no atônare hoe: 'Mivôlagna ratsy anô, noho Za nivôlagna hoe: Za no Zanak'Andriamanitra'?37Ra tsy magnano irè asan'ny Babako Za, de aza mino Anahy. 38Fô ra magnano iregny Za, na de tsy mino Za aza anare, de minoà irè asa mbô hahaizanare sy hazahoànare fô ny Baba de akato Aminahy ary Za akô amin'ny Baba. '' 39Mbôla nikasa ny hanambotra Ananjy ndraiky zare, fô nilaifa Izy.40De nandaiha an-dafin'i Jordana ndraiky Izy ho agny amin'ilay toeragna zay nagnanôvan'i Jaona Batisa voalôhany, ary nipaitraka take. 41Maro ny ôlo nagnato Ananjy ary ahozy zare hoe: "Jaona tsy mbôla nagnano, famantaragna, fô ny raha jiaby nivôlagnin'i Jaona momba i lalahy i de marigna.'' 42Maro ny ôlo nino Ananjy te.
Chapter 11

1Ary nisy lalahy raika narary antsôvigna hoe Lazarosy. Avakô Betania izy, tanàgnan'i Maria sy Marta ravaviny. 2Maria no nagnôsotra mainaka magnitra ny Tompo tamin'ny vôlony, ary Lazarosy anadahiny no narary.3Ary irè mpiralahy nagniraka ôlo ho agny amin'i Jesosy, nilaza hoe: "Tompo, zahô, fô marary lay tiànô.'' 4Kôfa regnin'i Jesosy zegny, de ahozy Izy hoe: ''Tsy fafataisagna no hiafaran'itô aretigna itô, fô kôza ho fanehoagna ny voninahitr'Andriamanitra mbô hanandratagna ny Zanak'Andriamanitra amin'ny alalan'izegny.''5Ary Jesosy de tià an'i Marta sy ny ravaviny ary Lazarosy. 6Kay kôfa naregny Jesosy fô marary Lazarosy, de mbôla nijanogna ro andro takô amin'ny toeragna nisy Ananjy Izy. 7Ary tavafaran'izegny, de nivôlagna tamin'ire pianatra Izy hoe: "Andaiha antsika ho agny Jodia ndraiky.''8Ahozy irè pianatra taminy hoe: "Raby, amin'izô de mikasa ny hitôrabato Anô irè Jiosy, kay mbôla hierigna akagny ndraiky ve Anô?'' 9Ary namaly Jesosy hoe: "Tsy rombifôlo laira ve ny fazavan'ny andro? Ra misy mandaiha amin'ny andro mazava, de tsy ho voàtsitohigna izy, satrià mahita ny fazavan'izô tontolo izô.10Kanaifa, ra mandaiha amin'ny aligna izy, de ho voàtsitohigna satrià tsy akô aminy ny fazavagna .'' 11Nivôlagna irè raha irè Izy, ary tavafaran'ire, de ahozy Izy taminjare hoe: "Resin-tôry Lazarosy kamaradintsika, fô handaiha Za mbô hafahako mamôha ananjy amin'ny torimaso.''12Kay ahozy irè pianatra taminy hoe: "Tompo, ra tafandry izy, de ho tsara.'' 13Kanaifa Jesosy nivôlagna ny fafataisany, saingy nieverinjare fô fialan-disaka amin'ny torimaso no volagniny. 14Avake Jesosy nivôlagna tsotra taminjare hoe: "Maty Lazarosy.15Faly Za, nohon'ny aminare, fô tsy tagny Za mbô hagônga anare hino. Andaiha antsika ho agny aminy.'' 16Tomasy, zay antsôvigna hoe Didymo, de nivôlagna tamin'ire pianatra kamaradiny hoe: "Andaiha koà antsika mbô hiara-maty amin'i Jesosy.''17Kôfa tônga Jesosy, de hitany fô aifa nalevigna aifatrandro takô am-pasagna Lazarosy. 18Ary Betania de aifa mariny an'i Jerosalema, amin'ny dimy ambifôlo stadio eo no ailanailany. 19Maro irè Jiosy tônga takô amin'i Marta sy Maria, mbô hampahery azy irè nohon'ny fafataisan'ny anadahin-jare. 20Avake Marta, kôfa naregny fô tônga Jesosy, de nandaiha nitsaina Ananjy, fô Maria kôza nipaitraka tandragno.21De nivôlagna tamin'i Jesosy Marta hoe: "Tompo, ra te anô, de tsy maty ny anadahiky. 22Naifa na de izô avaizo izô aza, de fantako fô na ino na ino angatahinô amin'Andriamanitra, de hamiany anô zegny.'' 23Ahozy Jesosy taminy hoe: "Ny anadahinô de hatsangako velogna ndraiky.''24Marta nivôlagna taminy hoe: "Fantako fô hitsangagna ndraiky izy amin'ny fitsanganagna amin'ny maty amin'ny andro farany.'' 25De ahozy Jesosy taminy hoe: "Za no fananganagna ny maty ary fiainagna; zay mino Anahy, na de maty aza izy, de ho velogna ndraiky; 26ary na izôvy na izôvy velogna kay zay mino Anahy de tsy hifoaty mandrakizay. Mino zegny ve anare ?''27Ahozy izy taminy hoe: ''Tompo ô,mino za fô Anô no Kristy, Zanak'Andriamanitra, lay ho tônga akéto amin'izô tontolo izô.'' 28Kôfa nivolagniny zegny, de lasa izy nagnantso mangigiky an'i Maria ravaviny. Ahozy izy hoe: "Tônga ny Papianatra ary magnantso anô izy.'' 29Kôfa regnin'Maria zegny, de nitsangagna malaky izy de nankagny aminy.30Ary Jesosy tsy mbôla tônga akô an-tanàgna fô mbôla tamin'ilay toeragna nitrôfan'i Marta taminy ihany. 31Noho zegny irè Jiosy, zay niaraka taminy tan-dragno sy nampahery ananjy, kôfa nahita an'i Marta nitsangagna malaky, kay lasa nivoàka, de nagnaraka ananjy, niherigna fô handaiha hitomany agny amin'ny fasagna izy. 32Kôfa tônga tamin'ny toeragna nisy an'i Jesosy i Marta kay nahita Ananjy, de niankôhitra izy ary nivôlagna taminy hoe: "Tompo, ra te anô, de tsy maty ny anadahiko.''33Kôfa nahita ananjy nitomoagny Jesosy, ary irè Jiosy niaraka taminy koà nitomoagny, de vonto ny fagnahiny ary natahotra Izy; 34de ahozy Izy hoe: "Takaiza no nandivaignanare ananjy?'' De ahozy zare taminy hoe: "Tompo, avià ary zahà.'' 35Nitomoagny Jesosy.36Avake ahozy ire Jiosy hoe: ''Zahavo ny haben'ny fitiavany an'i Lazarosy !'' 37Fô ny sanagny taminjare nivôlagna hoe: "Moa ve tsy hain'itô lalahy itô, zay nampahiratra ny mason'ilay jamba, ny magnano zay tsy nafaty itô lalahy itô koà?''38Avake ndraiky Jesosy, ra mbôla vônto ny fagnahiny, de nandaiha amin'ny fasagna. Ary zohy zegny, ary misy vato manarogna ananjy. 39Ahozy Jesosy hoe: "Alà hiala ny vato.'' Marta, anabavin'ilay maty, nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, aifa maimbo ny vatany ra amin'izô fotoagna izô, satrià aifatrandro izô no nafataisany.'' 40Ary Jesosy nivôlagna taminy hoe: "Tsy aifa nivôlagniky anô ve fô, ra mino anô, de ho hitanô ny voninahitr'Andriamanitra?''41De nalanjare ny vato. Nizaha tambôny Jesosy kay nivôlagna hoe: '' Baba ô, misôtra Anô Za satrià nitandregny Za Anô. 42Fantako fô mitandregny Za mandrakariva Anô, fô nohon'ny vahoàka mitsangagna mognodidigna Za no nivolagnako zegny, mbô hafahanjare mino fô Anô no nagniraka Za.''43Kôfa avy nivôlagna zegny Izy, de nagnantso mafy hoe: "Lazarosy, mivoàha!'' 44Nivoàka lay lalahy maty; nisy fehim-paty ny tongony sy ny tagnany, ary voàfehy lamba koà ny tarehiny. Ahozy Jesosy taminjare hoe: "Vahô izy ary avilay handaiha.''45Avake maro tamin'ire Jiosy zay tônga takô amin'i Maria sy nahita ny natôn'i Jesosy, no nino Ananjy; 46Fô ny sanagny taminjare kôza lasa nandaiha akagny amin'ny Fariseo ary nivôlagna taminjare ny raha natôn'i Jesosy.47Avake ny lôhan'ny mpisôrogna sy ny Fariseo namory ny Synedriona niaraka ary nagnano hoe: ''Ino no hatôntsikia? Itô lalahy itô de magnano famantaragna maro. 48Ra availatsika amin'izô Izy, de hino Ananjy dahôlo; ary ho avy ny Romana haka ny tananantsika sy ny firenentsika.''49Kanaifa, nisy lalahy raika taminjare, Kaiafa, zay mpisôrognabe tamin'izegny tôgna zegny, nagnano taminjare hoe: "Anare de tsy mahay na ino na ino. 50Tsy mieritreritra akory anare fô tsara ho anare ra lalahy raika no maty ho an'ny ôlogna toy zay ny firenena jiaby no ringiana.''51Ary zay nivolagniny de natôny ho ananjy ihany. Fô kôsa, noho izy mpisôrogna be tamin'i tôgna io, de naminagny fô tôkony hifoaty ho an'ny firenena Jesosy; 52ary tsy ho an'ny firenena ihany, fô mbô hampitambatra ny Zanak'Andriamanitra zay nipaitraka koà. 53Kay nanomboka tamin'io andro io de nagnano tetika ny fomba hamonoagna an'i Jesosy zare.54Ary Jesosy tsy nandaiha niariary tamin'ire Jiosy koà, fô niala te izy nankagny amin'ny tany marivo efitra ho agny an-tanàgna atô hoe Efraima. Ary nipaitraka takô Izy sy irè pianatra. 55Ary aifa marivo ny Pasky ny Jiosy, ary maro tamin'ire tagny ivailan'ny tanàgna no niakatra Takô Jerosalema mialôhan'ny Paska mbô hagnadio ny taignanjare.56Nizahà an'i Jesosy zare, ary nitsangagna tamin'ny Tempoly nifampiraisaka hoe: ''Ino no eritreretinare? Hoe tsy ho tônga amin'ny andro firavoravoàgna ve Izy ?'' 57Ary aifa nagnamia beko ny lôhan'ny mpisôrogna sy ny Fariseo fô ra misy mahay ny misy an'i Jesosy, de tôkony milaza izy mbô hanambôranjare Ananjy.

Chapter 12

1Enin'andro mialôhan'ny paska, de tônga takô Betania Jesosy, zay nipitrahan'i Lazarosy, lay aifa natsagan'i Jesosy tamin'ny maty. 2Kay nagnano sakafo ho Ananjy zare, ary Marta no nandroso aninjaré, fô Lazarosy ndraiky de agnisan'iré niara-nipaitraka tamin'i Jesosy také amin'ny latabatra. 3Avy té Maria nalaka mainaka magnitra litatra raika zay vita tamin'ny narda sarobidy, kay nagnôsotra ny tongontr'i Jesosy tamin'zagny, ary namafa ny tongony tamin'ny voro-dôhany. Feno ny hagnitr'lay mainaka ny tragno.4Ary Jodasy Iskariota, raika tamin'iré mpianatrany, zay hamadika Ananjy, nagnano hoe: 5"Nagnino io mainaka io no tsy nambidy 300 dinaria de namiagna ny mahantra?'' 6Ary izy nivôlagna an'zagny, tsy nohon'ny fiahiany ny mahantra, fô satrià mpangalatra izy: take aminy ny kitapom-bôla ary ho angalariny zay natô tô.7Jesosy nagnano hoe: Ambilay izy mbô hitagna zay hanagnany ho amin'ny andro handivaignana Anahy. 8Ho aké aminaré foàgna ny mahantra, fô Zaho ndraiky tsy ho aminaré foagna.''9Ary nisy vahoaka maro tamin'iré Jiosy nahafantatra fô také Jesosy, kai nagnatogna zaré, tsy ho an'i Jesosy raiky foàgna, fô mbô hahita an'i Lazarosy ndraiky koà, lay natsangan'i Jesosy tamin'ny maty. 10Iré lohan'ny mpisorogna de nitetika niaraka mbô hafahan-jaré hanôsika an'i Lazarosy amin'ny fafataisagna foàgna koà; 11satrià noho Izy no nahatonga ny ankamaroan'iré Jiosy andaiha ary nino an'i Jesosy.12Ny amaraigna de vahoàka maro no tônga tamin'ny andro firavoravoàgna. Kôfa regnin-jaré fô ho avy akà Jerosalema Jesosy, 13de nalaka sampan-drafià zaré ary nivoàka kay nitsaiza Ananjy tamin'ny antso mafy hoe: "Hosana! Sambatra edy lay avy amin'ny agnaran'ny Tompo, lay mpanjakan'Israely.''14Ary Jesosy nahita zana-boriky raiky kay nipaitraka tam-bôniny; 15Araka ny voasôratra hoe: "Aza matahotra, ry zanakavavin'i Ziona; zahà, indro avy ny Mpanjakanaré, zay mipaitraka am- bônin'ny zana-boriky."16Tsy nahazo iré raha iré ny mpianany tamin'ny vôlôhany; fô kôfa namiàm-boninahitra Jesosy, de tsaroàn-jaré fô voàsôratra mômba Ananjy iré raha ré ary aifa natôn-jaré taminanjy zagny.17Ary ré vaoaka zay niaraka taminanjy tamin'ny nagnatsôvany an'i Lazarosy hivoàka ny fasagna sy nanangagna ananjy tamin'ny maty de sômby nijoro vavolombelogna aby. 18Noho zagny antony zagny foàgna koà no nahatônga ny vahoàka hitsaiza Ananjy, satrià regninjaré fo nagnano zagny famantaragna zagny Izy. 19Ire Fariseo noho zagny nifampivôlagna hoe: ''Zahà, tsy afaka magnano no ino no ino anaré; indro, magnaraka Ananjy izao tontolo zao.''20Ary nisy grika vitsivitsy tamin'iré zay niakatra hidaira agny amin'ny firavoravoàgna. 21Nankagny amin'i Filipo zaré, zay avy agny Betsaida agny Galilia, ary nagnontany ananjy hoe: "Tompoko, mbô ti-hahita an'i Jesosy zahay." 22De lasagna i Filipo nivôlagna tamin'i Andrea; de lasagna Andrea niaraka tamin'i Filipo, ary nivôlagna an'i Jesôsy zaré.23Jesosy namaly aninjaré kay nagnano hoe: "Aifa tônga ny fotoagna hagnomiàzagna voninahitra ny zanak'Ôlogna. 24Volagniko aminaré, marigna, de marigna tikoatra, fô kô tsy latsaka amin'ny tany ny vihim-bary kay maty, de mipaitraka amin'ny taignany raiky zagny; fô kô maty zagny, de hamoà be.25Zay tià ny fiainany de hagnary zagny; fô zagny mankahala ny fiainany akéto amin'izao tontolo izao ndraiky de hitagna zagny ho agny amin'ny fiainagna mandrakizay. 26Kô misy manômpo Anahy, aoka izy hagnaraka Anahy; ary zay nipitrahako, de akò koà hipitrahan'ny mpanompoko. Kô misy manompo Anahy, de hagnomià voninahitra ananjy ny Ray.27Avahizo mangôrohôro ny fagnahiko ary ino no tôkony hivolagniko? 'Ray o, vonjeo amin'itô laira itô Zaho'? Kanaifa noho zagny antony zagny no nahatongavako amin'izao fotoagna zô. 28Ray o, hankalazao ny anaranô.'' Avy te nisy feo nanako avy agny an-dagnitra nagnano hoe: "Aifa nankalazaiko zagny ary mbôla hankalazaiko ndraiky." 29Ary ré vahoàka nitsangagna te sy naregny zagny de nivôlagna fô nisy kotroka také. Ny sanany nivôlagna hoe: "Nisy anjely nikoragna taminanjy."30Jesosy namaly hoe: "Zagny feo zagny de tsy tônga ho Anahy, fô ho anaré. 31Tônga avahizo ny fitsaragna an'izao tontolo izao: Ary de hiroàhigna ny mpanapaka an'izao tontolo izao.32Kôfa hasandratra hiala amin'ny tany Zaho, de hitôgno ny tsiraikiraiky hagnaraka Anahy.'' 33Nivolagniko zagny mbô hanehoagna hoe karazagna fafataisagna karaha ino no hafataisany.34Ré vahoàka namaly Ananjy hoe: "Regninay tamin'ny lalàgna fô Kristy de hidôko mandrakizay. Karakôry no afahanô mivôlagna hoe: 'Ny zanak'Ôlogna de tsy maintsy hasandratra'? Zôvy zagny zanak'Ôlogna zagny?" 35Avy te Jesosy nivôlagna aninjare hoe: "Ny hazavagna de mbôla hiaraka aminaré mandritra ny fotoagna fôhy. Mandihana dieny mbôla managna hazavagna, mbô tsy hafahan'ny hizigna mialôha anaré. Zay mandaiha amin'ny hizigna de tsy mahalala ny lalagna alaihany. 36Kô mbôla managna ny hazavagna anaré, de minoà zagny mbô ho zanakin'ny hazavagna anaré." Jesosy nivôlagna ire raha iré ary avy té de tsy hita ary niary ananin-jaré.37Na de nagnano famantaragna maro te agnatraihan-jaré aza Jesosy, de tsy ninoan-jaré. 38mbô ho tantairaka ny tenin'Isaia mpaminagny, zay nivôlagna hoe: ''Tompo, zôvy no nino ny tatitray, ary zôvy no nampisehoagna ny sandrin'ny Tompo?"39Noho zagny antony zagny de tsy nino zaré, araka ny voàlazan'Isaia hatrany hoe: 40"Nanjabainy ny mason-jaré, ary namafisiny ny fon_jaré; mifanôhitra amin'izagny zaré de ti-hahita amin'ny mason-jaré ary ahazo amin'ny fon-jaré, kay hitodika, ary Zaho nagnasitragna anin-jaré."41Isaia nivôlagna iré raha ré satrià hitany ny voninahitr'i Jesosy kay nivôlagna mômba Ananjy. 42Kanaifa na zagny aza, de maro tamin'iré mpanapaka no nino an'i Jesosy; fo noho iré Fariseo, de tsy ho voasakagna ho amin'ny Synagoga. 43Tian-jaré kokoà ny fideragna avy amin'ny ôlogna noho ny fideragna avy amin'Andriamanitra.44Jesosy nagnantso mafy kay nivôlagna hoe: "Zay raika mino Anahy, aza mino Anahy raika foàgna fô Zay nagnasa Anahy, 45ary zay raika mahita Anahy de mahita Ananjy zay nagnasa Anahy.46Zaho de tônga karaha ny hazavagna taketo amin'izao tontolo izao, mbô tsy hipaitraka ao agnaty hizigna zay mino Anahy. 47Kô misy maregny ny teniko naifa tsy mitandrigna zagny, de tsy hitsara ananjy Zaho; satrià Zaho tsy tônga hitsara izao tontolo zao, fô hagnavotra izao tontolo zao.48Zay mandà Anahy sy tsy mandray ny teniko, de managna raika zay mitsara ananjy. Lay teny zay nivolagniko no hitsaragna ananjy amin'ny ndro farany. 49Fô Zaho tsy mivôlagna ho Anahy, fô lay Ray zay nagnasa Anahy, amin'zagny hivolagnina sy koragnina. 50Fantako fô ny didiny de fiainagna mandrakizay, koà zay volagniko_de koragniko araka zay nivolagnin'ny Ray taminahy.''

Chapter 13

1Ary andro mialôhan'ny firavoravoagnan'ny Paska zao. Fantatr'i Jesosy fô tônga ny laira hialany akéto amin'izao tontolo zao kai handaiha agny amin'ny Ray. Kôfa nitià ny mpiara-dia taminanjy taketo amin'izao tontolo izao Izy, de nitià aninjaré hatramin'ny farany. 2Ary ny devoly de aifa namaitraka zao tan-tsaignan'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona, de ny hamadiagna an'i Jesosy.3Izy de nafatatra fô ny raha jiaby aifa napaitrakin'ny Ray také am-pelatagnany ary Izy de avy amin'Andriamanitra ary hierigna agny amin'Andriamanitra. 4Nitsangagna Izy také am- pinanagna ary nagnala ankajony ivailany. Avy te Izy nalaka lamba ary nisalotra zagny. 5Avy te nandraraka rano tagnaty siny Izy de nanomboka nanasa tongotr'iré mpianatra ary namafa ananjy iré tamin'lay lamba nisalôrany.6Nagnatogna an'i Simona Petera Izy, ary ahozy taminy hoe: "Tompo, hanasa ny tongoko ve Anô:" 7Jesosy namaly ary nivôlagna taminy hoe: "Zay atôko de mbôla tsy ho azonô zô ny heviny, fô ho azonô ihany zegny agny avafara." 8Ahozy taminy hoe: ''Tsy hanasa ny tongoko mihitsy Anô.'' Jesosy namaly ananjy hoe: ''Ra tsy manasa ny tongonô Za, de tsy managna anjara aminahy anô''. 9Ahozy Simona Petera taminy hoe: "Tompo, aza ny tongoko ihany no sasagna, fô ny tagnako sy ny lôhako ihany koà.''10Ahozy Jesosy taminy hoe: "Zay aifa nandro de tsy mila zegny, afa-tsy ny manasa tongony ihany, fô izy de aifa modio tantairaka; anô de mady, fô tsy jiaby naifa.'' 11(Satrià aifa fantatr'i Jesosy hoe: "Tsy anare jiaby no mady.'')12Kay kôfa avy nanasa ny tongonjare Jesosy sy nalaka irè lambany kay nipaitraka ndraiky, de ahozy Izy taminjare hoe: "Fantanare ve ny natôko ho anare? 13Antsôvinare Za hoe papianatra' sy 'Tompo,' ary marigna ny voalazanare, satrià zegny tokoàtra Za. 14Kanaifa ra Za, sady Tompo no papianatra, no nanasa ny tongonare, anare ihany koà de tôkony hifanasa tongotra. 15Satrià aifa nagnamia ôhatra ho anare Za kay mbô tôkony hagnano kara natôko ho anare ihany koà anare.16Volagniky aminare marigna de marigna tokoàtra fô ny panompo de tsy maventy kokoà noho ny tompony; na koà ny mpitôndra hafatra de tsy maventy kokoà noho ny lay nagniraka ananjy. 17Ra fantanare irè raha irè, de ho tahignia anare ra magnantantairaka zegny. 18Tsy anare jiaby no volagniky; fantako irè zay nifidiky-fô zegny de mbô hahatantairaka ny Sôratra Masigna hoe: 'Zay mihinagna ny môfoko de nanandratra ny vodi-tongony hamadikià Anahy.'19Volagniky aminare zô zegny mialôhan'ny hitrangany mbô kôfa mitranga zegny, de mety hino anare fô Za no Izy. 20Volagniky aminare, marigna de marigna tokoàtra, fô zay mandray zay nasaiky, de mandray Za, ary zay mandray Ananjy zay nagniraka Za''.21Kôfa nivôlagna zegny Jesosy, de nangôrohôro ny fagnahiny. Nagnambara Izy ary nilaza hoe: "Volagniky aminare marigna de tokoàtra fô hisy raika aminare hamadika Anahy.'' 22Nifampizaha irè pianatra, nagnontany taignia hoe izôvy zegny volagniny zegny.23Nisy raika taminjare pianany, zay tiàn'i Jesosy, nipaitraka tamin'ny latabatra ampitan'i Jesosy. 24Nagnontany i pianatra i Simona Petera ary nivôlagna hoe: "Agnontanià Ananjy hoe zôvy zegny volagniny zegny.'' 25Kay niherigna niankignia tamin'i Jesosy izy ary nivôlagna taminy hoe: "Tompo, zôvy zegny?''26Avake Jesosy nivôlagna hoe: "Lay hamiako itô môfo itô zegny.'' Kay kôfa nolomany ny môfo, de namiany an'i Jodasy Zanak'i Simona Iskariota zegny. 27Ary tavafaran'ny môfo, de niditra takô aminy satana, kay ahozy Jesosy taminy hoe: ''Zay atônô, atôvy malaky zegny.''28Tamin'izay irè jiaby tan-databatra tsisy nahay ny antony nivolagnan'i Jesosy ananjy zegny. 29Ny sanagny nieritreritra hoe, satrià Jodasy no nitagna kitapom-bôla, no nivôlagnin'i Jesosy hoe: ''Vidio ny raha jiaby ilaintsikia amin'ny andro firavoravoàgna,'' na hoe tôkony hagnamia raha ho an'ny mahantra izy. 30Ra vô avy nandray ny môfo Jodasy, de lasa nivoàka avy hatrany izy. Aligna ny andro taminjay.31Kôfa lasa Jodasy, de ahozy Jesosy hoe: ''Avaizo de amià-boninahitra ny Zanak'Ôlogna, ary 32Andriamanitra de amià-boninahitra akô aminy. Andriamanitra de amià-boninahitra Ananjy akô amin'ny taignany, ary Izy hagnamia voninahitra Ananjy avy hatrany. 33Ry zaza madinikia, fotoagna fôhy sisa no hiarahako aminare. Hitady Za anare, ary araka zay nivolagniky tamin'ny Jiosy hoe: 'Zay ingianako, tsy azonare ingianagna. 'Ary Volagniky aminare koà zegny avaizo.34Didy vôvô no amiako anare, de ny hifankatiavanare; kara ny nitiavako anare, no tôkony hifankatiavanare ihany koà. 35Aminjegny no hahafantaran'ny jiaby fô pianatranahy anare, ra mifankatià anare.''36Ahozy Simona Petera taminy hoe: "Tompo, fô andaiha akaiza Anô?'' Namaly Jesosy hoe: "Zay ingianako, de tsy afaka hagnarahanare Za zô, fô hagnaraka anare agny avafara.'' 37De ahozy Petera taminy hoe: "Tompo, nagnino za no tsy afaka magnaraka Anô zô? Foèky ho Anô ny aigniako.'' 38De namaly Jesosy hoe: " Hafoènô ho Anahy ve ny aignanô? Volagniky, aminô marigna, de marigna, tokoàtra, fô mbôla tsy magneno ny akôho de aifa handà Anahy intelo anô.''

Chapter 14

1''Aza availa hongôrohôro ny fônare. Minoà an'Andriamanitra anare, de minoà Anahy koà. 2Misy efitra maro andragnonin'ny Baba. Ra ts'izegny, de aifa nivôlagna taminare Za, fô hagnomagna toeragna ho anare. 3Ra handaiha Za ary hagnomagna toeragna ho anare, de mbôla hierigna ndraiky Za ary handray anare akato Aminahy, kay zay misy Za de hisy anare koà.4Anare mahay zay ingianako.'' 5Ahozy Tomasy tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, tsy fantanay zay ingiananô, akôry hahaizanay ny lalagna?'' 6Ahozy Jesosy taminy hoe: ''Za no lalagna sy famarinagna, ary fiainagna; tsisy afaka magnantogna ny Baba ra tsy amin'ny alalako. 7Ra mahay Za anare, de tôkony mahay Babako koà. Manomboka zô de fantanare Izy ary aifa hitanare.''8Ahozy Filipo tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, atoro anay ny Baba, de ampy ho anay zegny.'' 9Ahozy Jesosy taminy hoe: "Aifa atrignaila no niarahako taminare de mbôla tsy hainare foàgna ve Za, ry Filipo? Na zôvy na zôvy nahita Za de nahita ny Baba. Koa ino no hivolagnanare hoe: 'Atoro anay Babanô zegny'?10Tsy Mino ve anare fô akô amin'ny Baba Za ary ny Baba akato Aminahy? Irè teny zay volagniky aminare de tsy Volagniky avy amin'ny fahifako manôkana, fô velogna akato agnatiky no magnano ny asany. 11Minoà Anahy fô Za de akô amin'ny Baba, ary i Baba akato Aminahy, ra ts'izegny de minoà noho irè asa manôkana.12Volagniky aminare, marigna, de marigna tokoàtra, zay mino Anahy de hagnano ny asa zay atôko, ary hagnano asa be mihoàtra noho iregny izy satrià ho agny amin'ny Baba Za. 13Na ino na ino angatahinare amin'ny Agnarako,de tantirahiky zegny mbô hagnamiazam-boninahitra ny Baba akô amin'ny Zanaka. 14Ra mangataka raha amin'ny agnarako anare, de hitantirahiky zegny.15Ra tià Za anare, de hintandrignia irè didiko, 16ary hivavaka amin'ny Baba Za, de hagnamia anare Mpampahery hafa Izy mbô ake aminare mandrakizay izy - 17ny Fagnahin'ny famarinagna. Tsy afaka mandray Ananjy izô tontolo izô satrià tsy mahita na mafantatra Ananjy. Fô anare kôsa mahay Ananjy, satrià mipaitraka miaraka aminare Izy ary akô agnatinare.18Tsy hamaila anare ho tôkagna Za; mbôla hierigna atô aminare za. 19Afaka fotoagna vitsy ihany de tsy hahita Za koà izô tontolo izô, fô anare mahita Za. Satrià velogna Za, de ho velogna ihany koà anare. 20Ary amin'izay andro zay de ho fantanare fô akô amin'ny Baba Za, ary anare akato Aminahy, ary Za akô aminare.21Zay managna irè didiko kay mitandrigna iregny de izy lay tià Za, ary zay tià Anahy de ho tiavin'ny Babako koà, ary Za hitià ananjy sy hiseo aminare.'' 22Ahozy Jodasy (Tsy Iskariota) tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, nagnino Anô no hiseo aminay fô tsy amin'izô tontolo izô?''23Jesosy namaly ary nivôlagna taminy hoe: "Ra misy ôlo tià Anahy, hintandrignia ny teniky izy. Hitià ananjy ny Babako, ary ho avy aminy Zaihay ary nagnamboàtra fitoeranay miaraka aminy. 24Fô zay tsy tià Anahy de tsy mitandrigna ny teniky. Ny teny zay regninare de tsy avy Aminahy fô avy amin'ny Baba zay nagniraka Anahy.25Aifa nivolagniky taminare irè raha irè, ra mbôla nidôka niaraka taminare Za. 26Kanaifa, lay Mpampahery - lay Fagnahy Masigna, zay hasainy Baba amin'ny Agnarako_ izy no hampianatra anare ny raha jiaby sy hanohignia zay jiaby nivolagniky taminare. 27Fiadanagna no availako ho anare; amiako anare ny fiadanako. Tsy amiako ôhatra ny fagnomaizan'izô tontolo izô zegny. Aza availa hongôrohôro ny fônare, ary aza matahotra.28Aifa regninare Za nivôlagna taminare hoe: 'Andaiha Za, ary hierigna agny aminare ndraiky.' Ra nitià Za anare, de tôkony hifaly satrià handaiha amin'ny Baba Za, satrià Baba de maventy kokoà noho Za. 29Ary nivôlagniky anare deny mbôla tsy mitranga zegny, mbô hinoànare, kôfa mitranga zegny. 30Tsy hivôlagna baitsaka aminare koà Za, fô aifa ho avy ny mpanapak'izô tontolo izô. Tsy managna fahifagna Aminahy izy, 31fô mbô hahaizan'izô tontolo izô fô tiàko ny Baba, de atôko kara ny nandidiàn'ny Baba Za. Andaiha hitsangagna antsika ary hiàla .''

Chapter 15

1"Zaho no taigna voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. 2Alàvo aminahy ny sampagna jiaby zay tsy mamoà voankazo, ary rantsagnina ny sampagna zay mamokatra mbô hamoà voankazo bebe kokoà zagny.3Aifa mady anaré noho lay hafatra zay nivolagniko taminaré. 4Mitoaira aminahy, ary Zaho aminaré. Karaha ny sampagna tsy afaka mamoà voankazo amin'ny taignany ko tsy mipaitraka ao amin'ny voaloboka zagny, de karanjagny koà anaré, kô tsy mipaitraka aminahy.5Zaho no voaloboka, anaré no sampagna. Zay mipaitraka Aminahy ary Zaho aminanjy,de mamoà be izy, fô kô tsisy Anahy de tsy mahaifa na ino na ino anaré. 6Kô misy ôlogna tsy mipaitraka Aminahy, de ariagna karaha ny sampagna izy ary halazo, ary zaré magnonkogna iré sampagna ary magnary zagny amin'ny afo, ary may zaré. 7Kô mipaitraka Aminahy anaré, ary kô mipaitraka minaré ré teniko, angataho na ino na ino irinaré, de atô aminaré zagny.8Ny Raiko de amià-boninahitra amin'zao tontolo zao, de ny amokaranaré voankazo bebe kokoà kai ho porofo fô mpianatranahy anaré. 9Karaha ny nitiavan'i Ray Anahy, no nitiavako anaré. Mipitraha amin'ny fitiavako.10Kô mitandrigna iré didiko anaré, de hipaitraka ao amin'ny fitiavako, karaha ny nitandraimako iré didin'ny Raiko sy nipitrahako tao amin'ny fitiavany. 11Nivôlagna iré raha régny taminaré Zaho mbô ho aminaré ny fifaliàko ary mbô ho feno ny fifalianaré.12Zô no didiko, de ny hifankatiavanaré karaha ny nitiavako anaré. 13Tsisy manam-pitiavagna maventy be mihoàtra noho zô, de ny manolotra ny ainy ho an'iré sakaizany.14Namako anaré kô magnano iré raha andidiko anaré ré. 15Tsy hagnatso anaré hoe mpanopoko eky Zaho, satrià ny mpanompo de tsy mahay zay atôny tômpony. Nantsoviko hoe namako anaré, satrià ny raha jiaby zay regniko tamin'ny Raiko, de nampafantariko anaré.16Tsy nifidy Anahy anaré, fô Zaho no nifidy anaré ary nanendry anaré mbô andeha ka hamokatra, ary mbô Andaiha ka hamokatra, ary mbô tokony hipaitraka ny vokatranaré. Natô zagny mbô na ino na ino angatahinaré amin'ny Ray amin'ny Agnarako, de amiànare zagny. 17Regny raha jiaby regny no andidiako anaré mbô hifankatiavanaré.18Kô mankahala anaré zao tontolo zao, fantaro fô nankahala Anahy izy talôhan'ny nankahalany anaré. 19Kô avy amin'izao tontolo zao anaré, anaré, de ho tian'izao tontolo zao karaha ny azy anaré. Fô satrià anaré ary nifidiko hiala amin'izao tontolo izao, noho zagny de halalan'izao tontolo izao anaré.20Tsarôvy ny teny nivolagniko taminaré hoe: 'Ny mpanompo de tsy maventy noho ny tômpony.' Koà nagnejika Anahy zaré, de hagnenjika anaré koà; ary kô nitadrigna ny teniko zaré, de hitandrigna anaré koà. 21Hagnano iré raha iré aminaré zaré noho ny agnarako, satrià tsy fantan-jaré Izy zay nagnasa Anahy. 22Kô tsy tônga sy nivôlagna taminjaré Zaho, de tsy ho nanota zaré, fo zô tsy afa miala amin'ny fahotany zaré.23Zai mankahala Anahy de mankaha ny Raiko koà. 24Kô tsy nahavita ré asa zay tsy naton'ôlon-kafa teo agnivon-jaré, fô zô aifa sady hitany no halany Zaho sy ny Raiko. 25Fô zagny de mbô hahatatairaka ny eny zay voasôratra ao amin'ny lalàgnan-jaré hoe: 'Mankahala Anahy amin'ny tsisy antony zaré.'26Kôfa ho avy lay Mpampahery_zay hasaiky aminaré avy amin'ny Ray, lay, Fagnahin'ny famarinagna, zay mivoàka avy amin'ny Ray_ de hagnambara ny mômba Anahy Izy. 27Anaré koà de mijoro vavolombelogna satrià aifa niaraka taminahy laitry am- piandohagna anaré.

Chapter 16

1"Nivolagniko taminaré zagny raha jiaby zagny mbô tsy ho solafaka anaré. 2Hiroahinjaré ao amin'ny Synagoga anaré. Fô tônga ny andro kôfa hievitra zay jiaby mamono anaré fô zaré de manolotra raha tsara ho an'Andriamanitra.3Haton-jaré zagny satrià tsy mahay ny Ray Na ny taignako zare. 4Nivolagniko anaré iré raha ré mbô kôfa avy ny lairan-jaré, de ho tsaroànare fô aifa nivolagniko taminaré ny mômba aninjaré.Tsy nivolagniko taminaré iré raha ré tagny ampiandohagna, satrià mbôla taminaré Zaho.5Fô avahizo ho agny amin'lay nagnàsa Anahy Zaho, naifa tsy mbôla nisy nagnontany Anahy anaré hoe:" Handaiha ho aiza mô anô?" 6Fô satrià nivolagniko taminaré iré raha iré, de alahelo no nameno ny fonareo. 7Fô volagniko marigna aminaré, tsara kokoà ho anaré ny handihanako. Satrià kô tsy mandaiha Zaho, de tsy ho tônga aminaré ny Mpampahery, fô kô mandeha Zaho, de handaifa Ananjy ho aminaré.8Kôfa tônga izy, de hagnaporofo amin'izao tontolo zao ho diso mômban'ny fahotagna, ny fahamarinagna, ary mômban'ny fitsaragna— 9mômban'ny fahotagna ny mampahery, satrià tsy mino Anahy zaré; 10mômban'ny fahamarinagna, satrià hody agny amin'ny Ray Zaho, kay tsy ho hitanaré eky; 11ary mômban'ny fitsaragna, satrià ny mpanapaka izao tontolo zao de nitsaraigna.12Managna raha maro hambara aminaré Zaho, fô tsy ho azonaré ny hevitr'izagny zô. 13Kanaifa, kôfa tônga izy, Fagnahin'ny Fahamarinagna, de hitarika anaré ho amin'ny fahamarinagna jiaby, satrià tsy hivôlagna avy amin'ny taignany izy, ary hivôlagna aminaré iré raha ré zay ho avy. 14Hagnomià voninahitra Ananjy izy, satrià ny avy amin'ny Aninahy foàgna no ambarany aminaré.15Zay jiaby anagnan'ny Baba de Anahy. Noho zegny, nivôlagna Za fô lay Fagnahy de hiàlaka amin'izay Anahy ary hivôlagna zegny aminare. 16Afaka fotoagna fôhy de tsy hahita Za èky anare, ary afaka fotoagna fôhy de hahita Za ndraiky anare.''17Avake ny sanagny tamin'ire pianany nifampiraisaka hoe: "Ino ary zegny volagniny amintsika zegny hoe: 'Afaka fotoagna fôhy de tsy hahita Anahy aiky anare, 'sy hoe: 'Satrià ho agny amin'ny Baba Za'?'' 18Noho zegny de ahozy zare hoe: "Ino ary zegny volagniny zegny hoe: 'Afaka fotoagna fôhy'? Tsy hainay ny tiàny hikoragnina.''19Hitan'i Jesosy fô te nagnontany Ananjy zare, de ahozy Izy taminjare hoe: "Zô ve no agnontanianare taigna, de ny tiàko hivolagnina amin'ny fivolagnana hoe: 'Fotoagna fôhy sy tsy hahita Za aiky anare, ary afaka fotoagna fôhy ndraiky naifa de hahita Anahy anare'? 20Volagniky aminare marigna de marigna tokoàtra, fô hitomagny anare ary hitaraigia, fô izô tontolo izô kôza hifaly. Ho feno alahelo anare, kanaifa ho lasa hafaliagna zegny. 21Kôfa mietsi-jaza ny viavy raika de malahelo satrià tônga ny fotoagnany, fô kôfa tairaka kôza lay zazahely, de tsy tsy tsaroàny aiky alahelony nohon'ny hafaliagna fô nisy zazahely tairaka amin'izô tontolo izô.22Kay malahelo anare avaizo, Kanaifa Za mbôla hitrôtra aminare ndraiky, ary ho faly ny fônare, ary tsy hoisy hagnalagna zegny hafaliagnanare zegny aminare. 23Amin'izegny andro zegny de tsy hangataka Aminahy na ino na ino anare. Volagniky aminare marigna de marigna tokoàtra, ra mangataka na ino na ino amin'ny Baba aminagnarako anare, de hamiany anare zegny. 24Hatramin'izô anaifa tsy mbôla nangataka na ino na ino tamin'ny agnarako anare. Mangataha, de namiagna anare mbô ho feno ny hafaliagnanare.25Aifa nivolagniky taminare tamin'ny fagnoaragna irè raha irè, fô avy ny laira kôfa tsy hiraisaka aminare amin'ny fagnoaragna aiky Za, fô kôza hivôlagna aminare mazava ny mômban'ny Baba.26Amin'izegny andro zegny de hangataka aminagnarako anare ary tsy hivôlagna anare Za hoe hivavaka amin'ny Baba ho anare, 27fô ny Baba mihitsy no tià anare satrià nitià Anahy anare ary nino fô avy agny amin'ny Baba Za. 28Avy amin'ny Baba Za, ary tônga teto an- tany. Fô hiala izô tontolo izô za ary ho agny amin'ny Ray.''29Ahozy ny pianany taminy hoe: "Zahô, avaizo Anô mivôlagna mazava tsara ary tsy mampiasa fagnoaragna. 30Fantanay avaizo fô mahay rajiaby Anô, ary tsisy tiànô hamaitraka fagnotaniagna aminô. Noho zegny, de mino zaihay fô avy amin'Andriamanitra Anô.'' 31Namaly azy irè Jesosy hoe: "Mino amin'izay ve anare?32Indro, tônga izô laira, tônga tokoàtra, kôfa hiparaitaka anare, ny tsiraikiraiky samy agny amin'ny tragnony dahôlo manôkagna, de havailanare tôkagna Za. Naifa tsy tôkagna Za satrià miaraka aminahy i Baba. 33Aifa nivolagniky taminare mbô hanagna fiadanagna akato Aminahy anare. Managnolagna anare aketo amin'izô tontolo izô, naifa mahiraiza: aifa nandresy izô tontolo izô Za.''

Chapter 17

1Kôfa avy nivôlagna ire raha ire Jesosy, de nanandratra ny masony ho amin'ny lagnitra Izy ka nagnano hoe: "Ray ô, tônga ny fotoagna, mankalazà ny Zanakao mbô hankalazan'ny Zanaka Anao_ 2karaha ny nagnomiazanao Ananjy fahefagna ambôn'ny nôfo jiaby mbô hagnomiazany fiainagna mandrakizay ho an'izay jiaby namianao Anajy.3Zaho no fiainagna mandrakizay: de ny afantaran-jaré Anô, lay Andriamanitra tôkagna sady marigna, Ary Izy zay nasainao, de Jesosy Kristy. 4Nankalaza Anô Zaho teto an-tany. Aifa vitako ny asa zay namianô Anahy ho ataoko. 5Avahizo, ry Ray, hankalazao miaraka amin'ny taignanao Zaho amin'ny voninahitra zay nanagnako niaraka taminô talôhan'ny zao tontolo zao.6Nampafatatra ny agnaranao tamin'ny ôlogna zay namiànao Ananjy avy amin'izao tontolo izao Zaho. Anao regny, ary namiàna Ananjy, ary nitandraimany ny teniko. 7Avahizo fantan-jaré fa ny raha jiaby zay namiànao Anahy de avy aminao, 8Satrià namiako aninjaré aby ny teny zay namiànô Anahy. Noraisin-jare iregny ary fantany marigna tikoatra fô avy taminô Zaho, ary nino zaré fô anô no nagnasa Anahy.9Mivavaka ho an-jaré Zaho. Tsy mivavaka ho an'izô totôlo izô Zaho fô ho an'ire zay namiagna Anahy, noho izy ré Anô. 10Ny raha jiaby zay Anahy de Aninô, ké Zay anô de Anahy 11Tsy amin'izao tontolo izao eky Zaho, fô ire ôlogna de aketo amin'izao tontolo zao, ary magnatogna anaré Zaho. Ray Masigna o, itano aimin'ny agnaranô zay namianô Anahy zaré mbô hitambatra ho raiky, karaha ny maha raiky Antsika.12Kô mbola také amin-jare Zaho, de nitagna anjaré tamin'ny agnaranô, zay namianô Anahy. Niaro aninjaré Zaho, ary tsisy very na de raika aza, afa tsy ny zanaky ny fahaverezagna foagna, mbô ho tantairaka ny Soratra Masigna. 13Ary ho agny aminô Zaho, fô mivôlagna iré raha ré amin'izao tontolo zao Zaho mbô hantantairaka ny hafaliàko aminjaré. 14Aifa namiàko zaré ny teninô, nankalazain'izao tontolo zao zaré satria tsy avy amin'izao tontolo zao, karaha Anahy tsy amin'izao tontolo zao.15Zaho de tsy mangataka Aminô ny agnalanô aninjaré amin'izao tontolo zao, fô mbô hiarôvanô aninjaré amin'lay ratsy. 16Zaré de tsy amin'izao tontolo zao, karaha Anahy agny amin'izao tontolo zao. 17Hamasino amin'ny fahamarinagna zaré. Fô ny teninô no fahamarinagna.18Karaha ny nagnasanô Anahy amin'izao tontolo zao, no nagnasako anjaré ho amin'izao tontolo zao koa. 19Fô nohon'ny fitiavako anjaré no nagnamasinako ny taignako, mbô hagnamasinagna ny taignanjaré amin'ny famarinagna koa.20Zaho de tsy mivavaka ho an'iré foagna, fo an'iré zay hino Anahy amin'ny alalan'ny teninjaré koa 21mbô ho raiky foagna izy jiaby, karaha anô, Ray, aminahy akato, ary Zaho aminô. Mivavaka Zaho mbô ho amintsika koa zaré mbô hinoàn'izao tontolo zao fô nagnasa Anahy Anô.22Ny voninahitra zay namiànô Anahy, de namiàko aninjaré, mbô ho raky zaré, karaha ny maha raiky antsika. 23Zaho amin-jaré, ary Anô aminahy akato _ kai ho taigna raiky tantairaka tikoàtra zaré, mbô ho fantatr'izao tontolo zao fô nagnasa Anahy Anô, ary nitià zaré karaha ny nitiavanô Anahy.24Ray ô, re zay namianô Zaho de tiako hiaraka aminahy na akaiza na akaiza no misy Anahy, ary nahita ny voninahitro, lay voninahitra zay namianô Anahy satrià nitia Anahy anô talôhan'ny nahariagna izao tontolo zao.25Ray marigna ô, tsy mahay Anô izao tontolo zao, fô Zaho mahay Anô; ary zaré mahay fô nagnasa Anahy Anô. 26Nampafantariky anjaré ny agnaranô, ary mbôla ho ampafatariky zagny mbô ho amin-jaré ny fitiavagna zay nitianô Anahy, ary Zaho ho amin-jaré.

Chapter 18

1Tafaran'ny nivolagnan'i Jesosy iré teny ré, de nivoaka niaraka tamin'iré mpianany Izy ho ampitany akagny amin'ny lôhasan-drika agn'i Kidrona, zay nisy tsabo nidirany sy iré mpianany. 2Ary Jodasy, zay namadika an'i Jesosy, nahay ny toairagna koa, satria nandaiha matetika tagny Jesosy sy iré mpianany. 3Avy té Jodasy, nitarika ire vondrogna miaramila sy ire mpiandry raraha sanany avy amin'ire lôhan'ny mpisorogna sy Fariseo, nandaiha tagny niaraka tamin'ny fagnilo, fanala ary fitaovam-piadivagna.4Avy te Jesosy, zay aifa nahay ny raha jiaby hitranga Aminanjy, nandroso talôhany ary nagnontany aninjaré hoe: "Zôvy no zahànaré?" 5Namaly Ananjy zaré hoe: "Jesosy avy agny Nazareta." Ary aozin'i Jesosy tamin-jaré hoe: "Zaho no Izy." Jodasy, zay namadika Ananjy, de nitsangagna niaraka tamin'iré miaramila koa.6Kai kôfa nivôlagna taminjaré Izy hoe: "Zaho no Izy," de nihisotra izy kai lavo tamin'ny tany. 7Avy te ndraiky de nagnontany aninjaré Izy hoe: "Zôvy zahànaré?" Ary nivôlagna ndraiky zaré hoe: "Jesosy avy agny Nazareta."8Jesosy namaiy hoe: "Nivôlagna anaré Zaho fo Zaho no Izy. Noho zagny kô mizaha Anahy anaré, de ambilay reto andaiha." 9Zagny mbô hantatairaka ny teny nivolagniny hoe: "Amin'iré zay namiagna Anahy, tsy natôvako very na mba raiky."10Avy te Simona Petera, zay nanagna sabatra, namoaka zagny ary namely lay mpanompon'ny mpisorognabe kay namira ny tadigniny ankavanagna. Ary Malko no agnaran'lay mpanompo. 11Aozin'i Jesosy tamin'i Petera hoe: "Ahiregno amin'ny tragnony ny sabatranô.Tsy tôkony hisotro ny kapoaka zay namian'ny Ray Anahy mo Zaho?"12Noho zagny iré vôndrogna miaramila sy ny kapiteny, ary iré mpiandry rarahan'iré Jiosy, de nisambotra an'i Jesosy ary namatotra Ananjy . 13Nindosinjaré tagny amin'i Anasy Izy malôka Izy, satria izy de rafôzan-dahin'i Kaiafa, Zay mpisorognabe tamin'io tôgna io. 14Ary Kaiafa de lay nagnomia hevitra iré Jiosy fô tsara kokoa kô misy ôlogna raiky maty ho an'ny vahoaka.15Nagnaraka an'i Jesosy Simona Petera, ary nagnano karaha zagny koa ny mpianatra raiky hafa. Ary fantatr'ilay mpisorognabe zagny mpianatra zagny, ary niditra niaraka tamin'i Jesosy tamin'ny kianjan'ny mpisorognabe izy; 16fô Petera de nijoro tivailan'ny vavahady. Noho zagny lay mpianatra hafa, zay fantatry ny mpisorognabe, de nivoàka kay nivôlagna tamin'ilay mpanompo vavy zay mpiambigna ny vavahady ary nitôndra an'i Petera hiditra.17Avy té lay mpanompo vavy, mpianbigna ny vavahady, nivôlagna tamin'i Petera hoe: "Anô koà mô tsy raika amin'ny mpianatr'i lalahy io?" Aoziny hoe: "Tsy izy zaho." 18Ary nijoro te ré sy ré mpiandry raraha, ary nandrehitra afon'arigna zaré, satrià nangatsiaka ny andro; kay nagnafana ny taignan-jaré. Petera koà niaraka taminjaré, nijoro také ary nagnafana ny taignany.19Nagnontany an'i Jesosy mômba iré mpianany sy ny fampianarany ny mpisorognabe. 20Jesosy namaly ananjy hoe: "Nivôlagna ampahibemaso tamin'izao tontolo izao Zaho. Nampianatra mandrakariva tao amin'ny Synagoga sy tan-tempoly Zaho zay nifampitaognan'ny Jiosy jiaby. Tsisy nivolagniko tankizigna. 21Nagnino anô no magnotany Anahy? Agnontanià an'iré zay naregny Anahy mômba zay nivolagniko. Zahà, iré ôlogna ré de mafantatra zay nivolagniko.''22Kôfa avy nivôlagna zagny Jesosy, de nisy raika tamin'iré mpiandry raraha nijoro také nanaifaka an'i Jesosy ary nivôlagna hoe: "Zagny ny fomba hamalianô ny mpisorognabe?" 23Jesosy namaly ananjy hoe: "Ko nivôlagna raha diso Zaho, mijoro vavolombelogna amin'izagny diso zagny, fô kô marigna, nagnino anô no namely Anahy?" 24Avy té Anasy nandaifa Ananjy mifatotra nankagny amin'i Kaiafa ilay mpisorognabe.25Ary nitsangagna Petera kay nagnafana ny taignany. Avy te aozin'iré ôlogna ré taminanjy hoe: "Anô kô mô tsy raiky tamin'ny mpianany?" Nandà zagny izy ary nivôlagna: "Tsy izy zaho." 26Raiky tamin'iré mpanompon'ny mpisorognabe, zay havan'lay lalahy zay nifirain'i Petera tadigny, nivôlagna hoe: "Tsy hitako niaraka taminanjy tao amin'ny saha mô anô?" 27Avy té Petera nandà ndraiky, ary avy hatrany de nagneno ny akôho.28Avy té nindosinjaré avy tao amin'i Kaiafa ho agny agnaty rova Jesosy. Mbôla mandraigna bé ny andro tamin'zagny, ary zaré de tsy niditra tao agnaty rova mbô tsy ho voaloto fô aifa hihinagna ny Paska. 29Kay nivoàka te aminjaré Pilato kay nivôlagna hoe: "Ino ny fiampangagna indonsinaré manôhitra tô lalahy tô?" 30Namaly zaré ary nivôlagna taminanjy hoe: "Kô tsy mpagnano ratsy i lalahy io, de tsy natolonay anô."31Noho zagny Pilato nivôlagna tamin-jaré hoe: "Hindôsonaré Izy, nary tsaray arakan'ny lalàgnanaré." Aozin'iré Jiosy hoe: "Tsy ara-dalàgna ho anay ny manôlotra ôlogna ho faty.'' 32Nivôlagna zagny zaré mbô ahatantairaka ny tenin'i Jesosy zay nivôlagna hoe karazagna fafataisagna karaha inona hafataisany.33Avy té niditra tagnaty rova ndraiky Pilato kay nagnantso an'i Jesosy ary nivôlagna hoe: "Anô no mpanjakan'ny Jiosy?" 34Jesosy namaly hoe: "Magnotany avy amin'ny taignanô mô anô? Sa nisy hafa nivôlagna taminô mômba Anahy?" 35Pilato namaly hoe: "Tsy Jiosy zaho, sa tsy zagny?" Ny vahoakanô sy iré lôhan'ny mpisorogna no nanôlotra anô taminahy. Ino no natonô?''36Jesosy namaly hoe: "Ny fanjakako de tsy akéto amin'izao tontolo izao. Fô kô mbô tagnatin'izao tontolo izao ny fanjakako, de hiady iré mpanompoko mbô tsy hanolôragna Anahy amin'iré Jiosy. Fô avahizo ny fanjakako de tsy avy atô." 37Avy te Pilato nivôlagna tamin'ny hoe: "Mpanjaka ariky mô Anô?" Jesosy namaly ananjy hoe: "Voalazanô fô mpanjaka Zaho. Fô amin'ny zagny tanjogna zagny no nahatantairahako, ary ho amin'izagny antony zagny no niaviako akéto amin'izao tontolo izao, mbô hijoroako vavolombelogna amin'ny fahamarinagna de mitandregny ny feoko."38Pilato nivôlagna taminanjy hoe: "Ino no atao hoe marigna?" Kôfa avy nivôlagna zagny izy, de nivoàka ndraiky Ary nivôlagna tamin'ire Jiosy hoe: "Tsy mahita heloka amin'itô lalahy tô zaho. 39Fô anaré managna fômba izay zay afahako ôlogna raika ho amianaré amin'ny Paska. Noho zagny tianaré ny hagnafahako aminaré ny mpanjakan'ny Jiosy?" 40Avy té zaré niafatra mafy ndraiky ary nivôlagna hoe: "Tsy lalahy io, fô Barabasy." Ary Barabasy de mpangalatra.

Chapter 19

1Avake nidôsin'i Pilato Jesosy kay nivileziny. 2Nandrenitra satroka tsilo irè miaramila. Napaitrajare tandôhan'i Jesosy zegny ary nagnatôvagna lamba vôlomparasy Ananjy. 3Nagnontany Ananjy irè ary nivôlagna hoe: ''Arabaigna, ry mpanjakan'ny Jiosy!'' Ary namely Ananjy zare.4Avake nivoàka ndraiky Pilato kay nivôlagna taminjare hoe: "Indro, indôsiky aminare ivailany Izy mbô hafantaranare fô tsy mahita heloka Aminy Za.'' 5Kay nivoàka Jesosy, nagnano lay fehilôha tsilo sy lay lamba vôlomparasy. Ahozy Pilato taminjare hoe: "Indro, ty lalahy ty!" 6Kôfa hitan'ny lôhan'ny mpisorogna sy ny manamboninahitra Jesosy, de nihiàka mafy zare kay nivôlagna hoe: ''Fantsio izy, fantsio izy''! De ahozy Pilato taminjare hoe: "Alaivonare Izy ary fantsio, fô Za tsy mahita heloka Aminy.''7Namaly azy irè Jiosy hoe: "Managna lalàgna antsika, ary araka ny lalàgna tôkony ho foaty Izy satrià milaza taigna ho Zanak'Andriamanitra.'' 8Kôfa regnin'i Pilato zegny, de natahotra mafy izy, 9ary niditra takô amin'ny lapam-panjakagna ndraiky Izy kay nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: "Avakaiza ny fiaviànô?'' Kanaifa tsy nagnamia teny ananjy Jesosy.10Avake Pilato nivôlagna taminy hoe: "Tsy managna ra ikoragnina aminahy ve Anô? Tsy hainô fô managna fahifagna hagnalanô za, sy fahifagna hamantsika Anô? 11Namaly ananjy Jesosy hoe: ''Tsy managna fahifagna Aminahy anô ra tsy namiagna anô avy agny ambôny zegny. Noho zegny, izy zay nagnamia Za taminô de managna fahifagna bebe kokoà.''12Taminjegny valin-teny zegny, de nihaizaka ny hagnafaka Ananjy Pilato, fô niaka mafy irè Jiosy, nagnano hoe: ''Ra alanô io lalahy io, de tsy kamaradin'i Kaisara anô. Zay magnano ny taignany ho mpanjaka de manôhitra an'i Kaisara.'' 13Kôfa regnin'i Pilato irè teny irè, de nindôsiny nivoàka Jesosy ary nipaitraka tamin-tsezy fitsaragna zay antsôvigna hoe: "lampivato,'' fô amin'ny teny Hebreo hoe ''Gabata.''14Ary tônga ny andro fagnomanagna ny Paska, tamin'ny laira faenignia te. Ahozy Pilato tamin'ire Jiosy hoe: "Indro, itô mpanjakanare!'' 15Nihiàka mafy zare hoe: ''Avilay Izy, avilay Izy; fantsio Izy!'' Ahozy Pilato taminjare hoe: "Tôkony hamantsika ny mpanjakanare ve anare?'' Namaly irè lôhan'ny mpisorogna hoe: "Tsy managna mpanjaka akôtran'i Kaisara zaihay.'' 16Avake de namian'i Pilato azy irè hifantsiagna Jesosy.17Avake nalainjare Jesosy, ary nandaiha nivoàka izy, nilanja ny kakazofijaliagna, ho agny amin'ilay toeragna antsôvigna hoe: ''Toeran'ny karandôha,'' zay amin'ny Hebreo antsôvigna hoe ''Golgota.'' 18Nifantsian'ire tagny Jesosy, ary nisy lalahy ro hafa niaraka taminy, raika isaky ny ilany, ary Jesosy tagnivo.19Nanôratra famantaragna koà Pilato ary namaitraka zagny te amin'ny kakazofijaliagna. Zao no voasôratra te: JESOSY AVY AGNY NAZARETA, LAY MPANJAKAN'NY JIOSY. 20Maro tamin'iré Jiosy no namaky zagny famantaragna zagny satrià tsy lavitra ny tanàgna no misy ny toairagna nonomboagna an'i Jesosy. Lay famantaragna de nisoratagna tamin'ny Hebreo, Latina, Grika.21Avy te aozin'iré lôhan'ny mpisorognan'ny Jiosy tamin'i Pilato hoe: "Aza soratagna hoe: 'Lay Mpanjakan'ny Jiosy,' fô aleo hoe: 'Tô raika tô de nivôlagna hoe: ''Zaho no mpanjakan'ny Jiosy.''" 22Ary namaly Pilato hoe: "Zay voasôratra de voasôratra."23Kôfa nombohan'iré miaramila Jesosy, de nalain-jaré ny lambany, kai nizarain-jaré efatra, de samy managna raika aby zaré; ary lay ankajo koà. Ary tsisy vitragna lay ankanjo, fô tegnona aiky foàgna. 24Avy té nifampivôlagna zaré hoe: "Aleo tsy triarintsika tô, fô andô hilokagna ahitagna zay mahazo anazy." Nitranga zagny mbô ahatantairaka ny Sôratra masigna zay milaza hoe: "Nifampizaranjaré ny lambako ary nilokany ny fitafiko." Zagny no naton'iré miaramila.25Ary nijoro tankilany kakazofijaliagnan'i Jesosy ny reniny, ny ravavin-dreniny, Maria vadin'i Klopa, Ary Maria Magdalena. 26Kôfa nahita ny reniny sy iré mpianatra zay tiàny nijoro te ankilan'i Jesosy, de nivôlagna tamin'ny Izy hoe: "A Viavy, indro ny zanakanô lahy!" 27Avy te Aoziny tamin'ny mpianatra hoe: "Indro, ny reninaré!" Ary tamin'izagny laira zagny de nalain'ny mpianatra ho agny aminanjy izy.28Tafaran'izagny, kôfa nafantatra fô vita ny raha jiaby kai mbô ho tantairaka ny Sôratra Masigna, de aozin'i Jesosy hoe: "Mangetaheta Zaho." 29Ary nisy tavoara feno divaigna masigna nipaitraka také amin'io toairagna io, kai natôvan-jaré divaigna masigna ny sipaonjy kai nitohizany taminy hysopa ary napaitapaitany tamin'ny tamin'ny vavany. 30Kôfa nisotro lay vinaigitra Jesosy, de Aoziny hoe: "Vita." Nahondriny ny lôhany ary niala ny fagnahiny.31Satrià andron'ny fihomagnana tamin'izagny ,kay tsy hijanogna eo amin'ny kakazofijaliagna mandritry ny Sabata (satrià ny Sabata de andro manan-danja manôkagna) iré vata-mangatsiaka, de nangataka tamin'i Pilato iré Jiosy avy eo, ny mbô hanapahagna ny tongon-jaré ary hagnalagna aninjareo. 32Avy nagnatogna iré miaramila kay nanapaka lay tongotr'lay lalahy vôlôhany sy lay lalahy faharoa zay voahombo niaraka tamin'i Jesosy. 33Kôfa nagnatogna an'i Jesosy azaré, de nahita fô aifa maty Izy, kay tsy nitapahin-jaré ny tongony.34Kanaifa, nisy miaramila raika nanindrogna ny lanivoany tamin'ny lefogna, ary avy atrany de nisy rà sy rano niraraka. 35Lay raika zay nahita zagny de nijoro vavolombelogna, ary marigna ny fagnambarany. Fantany fô marigna zay nivolagniny mbô hinoànaré koà.36Fô iré raha iré no nitranga mbô hahatantairaka ny Sôratra Masigna hoe: "Tsy hisy tapaka namba raiky ny amin'ny tôlany" 37Ary mbôla, misy Sôratra Masigna hafa mivôlagna hoe: "Zaré de hizaha Ananjy zay nilefonin-jaré."38Tafaran'ny raha iré, Josefa avy agny Arimatia, hatramin'ny naha mpianatr'i Jesosy ananjy (fô taminanjy mangingigna nohon'ny fatahoragna iré Jiosy), nagnontany an'i Pilato kô afaka malaka ny vatan'i Jesosy izy. Namiàn'i Pilato alalagna izy. Kai tonga Josefa ary nalaka ny vatany. 39Tonga tagny koà Nikodemosy, izy zay tônga vôlohany hizaha an'i Jesosy ny align'igny.Ary nitôndra mainaka magnitra sy vahogna izy, te amin'ny zato litatra te ny fatrany.40Kay niraisin-jaré ny vatan'i Jesosy ary nifognosin-jaré tamin'ny lambam-paty sy zava-magnitra, araka ny fômba fandivaignana Jiosy. 41Ary tamin'ny toairagna nanomboagna Ananjy tao de nisy tsabo; ary také amin'lay tsabo nisy fasagna vôvô zay mbôla tsy nandivaignan'ôlogna. 42Satrià andron'ny fiomanagnan'iré Jiosy tamin'zagny ary satrià mariny ny fasagna, de nalevin-jaré takô Jesosy.

Chapter 20

1Ary mandraindraignan'ny andro vôlôhan'ny erignandro, kô mbôla maizigna igny, de nakagny amin'ny fasagna Maria Magdalena ary nahita lay vato aifa nikisaka lavitra lay fasagna izy. 2Noho zagny de nihazakazaka izy ary nagnatogna an'i Simona Petera sy lay mpianatra hafa zay tiàn'Jesosy, ary aozy taminjaré hoe:" Nalainjaré tamin'ny fasagna n'y Tompo, ary tsy fantanay zay namaitrahan-jaré Ananjy."3Avy te nandaiha nivoàka Petera sy lay mpianatra hafa, ary nankagny amin'ny fasagna zaré. 4Samy niazakazaka zaré, ary nisongonan'lay mpianatra hafa nalaky Petera ary de izy no tônga vôlohany tagny amin'ny fasagna. 5Avy te niondrika izy, ary natazagna lay lambam-paty nipaitraka té, fô tsy mbôla nitsôfoka tagnatiny izy.6Tônga tafarany avy te Simona Petera ary niditra tao am-pasagna. Tazany nipaitraka té lay lambam-paty 7sy lay lamba natô tamin'ny lôhany. Tsy niara-nipaitraka tamin'lay lambam-paty anaifa lay izy fô nivalogna ho azy te amin'ny toairany.8Avy te lay mpianatra raika hafa, lay tônga vôlohany te amin'ny fasagna, niditra tagnatiny koà, ary nahita sy nino izy. 9Fô hatramin'io fotoagna io zaré de tsy mbôla nahay ny Sôratra Masigna fô Izy de tsy maintsy hitsangagna amin'ny maty. 10Kay niherigna tagny an-tragno ndraiky iré mpianatra.11Fô Maria de nijoro nitomagny tivailan'ny fasagna. Kô izy nitomagny igny, de niondrika tao amin'ny fasagna. 12Nahita anjely roa magnatô lamba fotsy nipaitraka izy, ny raika teo an-dôha, ary ny raika teo an-tongotra také amin'ilay toairagna namitrahagna ny vatan'i Jesosy. 13Aozin-jaré taminanjy hoe: "A Viavy, nagnino anô no mitomagny?" Aoziny taminjaré hoe: "Satrià nindôsinjaré ny Tompoko, ary tsy haiky ny namaitrahan-jaré Ananjy."14Kôfa avy nivôlagna zagny izy, de nitodika ary nahita an'i Jesosy nijoro te, fô tsy hainy hoe Jesosy io. 15Aoziny taminanjy hoe: "A Viavy, nagnino anô mitomagny? Fô zôvy mô Zahànô?" Niheveriny fô lay mpiambigna anaifa Izy, kay aoziny taminanjy hoe: "Tompoko, kô Anô no nalaka Ananjy, de volagno aminahy ny nametrahanô Ananjy, fô alaiky agny Izy."16Aozin'i Jesosy taminanjy hoe: "Maria." Nitodika izy, ary nivôlagna taminanjy tamin'ny teny Hebreo hoe: "Rabôny" (zay midika hoe: "Mpampianatra.") 17Aozin'i Jesosy taminanjy hoe: "Aza mikasika Anahy, fô mbôla tsy niakatra agny amin'ny Baba Zaho, fô mandihana agny amin'ire ralahiky ary nivôlagno azy irè fô hiakatra agny amin'ny Babako sy Babanare Za, ary na Andriamanitranahy sy Andriamanitrare.'' 18Nandaiha Maria Magdalena ary nivôlagna irè pianatra hoe: "Nahita ny Tompo za,'' ary irè raha irè no nivôlagniny taminy.19Ary hariva tamin'izay, tamin'io andro io, andro voalôhan'ny herinandro, ary irè tamiagna zay nisy irè pianatra, de nihidy nohon'ny fatahôragna irè Jiosy, nagnatogna Jesosy ary nitsangagna tantaignantaignan-jare kay nivôlagna azy hoe: "Fiadanagna ho anare.'' 20Kôfa avy nivôlagna zegny Izy, de naseony azy irè ny tagnany sy ny tritriny. Faly irè pianatra kôfa nahita ny Tompo.21Avake Jesosy nivôlagna azy irè hoe: "Fiadanagna ho anare. Karaha ny nagnasan'ny Ray Anahy, no hagnirahako anare koà.'' 22Kôfa avy nivôlagna zegny Jesosy, de nitsotra ny fôfon'aignany taminjare ary nivôlagna azy irè hoe: ''Alaivo ny Fagnahy Masigna. 23Na helok'izôvy na helok'izôvy availanare, de ho voavaila zare; ary na an-jôvy na an-jôvy tsy availanare, de tsy voavaila zegny.''24Tomasy, raika tamin'ire rombifôlo lahy, nantsôvigna hoe: Didymo, de tsy niaraka taminjaré kôfa tônga Jesosy. 25Ré mpianatra hafa avy té nivôlagna taminanjy hoe: "Hitanay ny Tompo." Aoziny taminjaré hoe: "Kô tsy hitako amin'ny tagnany tômbakin'iré fantsika, ary mamaitraka ny rantsan-tagnako ao agnatin'ilay tômbaka an'iré fantsika zaho, ary mamaitraka ny tagnako amin'ny lanivoany, de tsy hino zaho."26Valo andro tafara de takô ndraiky ré mpianany, ary niaraka taminjaré Tomasy. Nagnatogna Jesosy kô nagnidy tamiagna,ary nijoro niaraka té aminjaré, ary nivôlagna hoe: "Fiadanagna ho anaré." 27Avy te nivôlagna an'i Tomasy izy hoe: "Magnatôgna atô miaraka amin'ny tagnanô ary apitraho akéto amin'ny lanivoako zagny. Aza kely finoagna, fô minoà."28Tomasy namaly ary nivôlagna Ananjy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro. 29Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Satrià nahita Anahy Anô, de nino. Sambatra iré Zay tsy nahita, naifa mino.''30Avahizo Jesosy de nagnano famantaragna maro hafa teo agnatraihan'iré mpianany, famantaragna zay tsy voasôratra tagnatin'itô boky tô, 31fô ré de voasôratra mbô hafahanaré mino fô Jesosy no Kristy, ilay zanak'Andriamanitra, ary kôfa mino Ananjy anaré, de hahazo ny fiainagna amin'ny agnarany.

Chapter 21

1Tafaran'iré raha ré Jesosy de niseho tamin'iré mpianatra ndraiky teo amin'ny ranomasin'i Tiberiasy. Karanjô ny fomba nisehoany: 2Simona Petera de niaraka tamin'i Tomasy zay antsôvigna hoe Didymo, Natanaela avy agny Kana agny Galilia, ire zanak'i Zebedio, ary mpianatr'i Jesosy roa hafa. 3Hoy Simona Petera taminjaré hoe: "Handaiha hagnarato zaho.'' Ary aon-jaré taminanjy hoe: ''Zahay koà andaiha hiaraka aminô.'' Kai lasagna zaré ary niditra tan- tsambokely raika, fô tsy nahazo na ino na ino zaré bôriky kiaka.4Ary, kôfa mangiran-dratsy sahady ny andro, de nijoro te an-dranomasigna Jesosy, fô tsy fantatr'iré mpianatra hoe Jesosy io. 5Kai aozy Jesosy taminjaré hoe: "Ry tôvolahy, Tsy manan-ko-hanigna mô anaré?'' Namaly Ananjy iré izy hoe: "Ahe'' 6Aoziny taminjaré hoe: ''Atsipazo eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo.'' De hahazo anaré.'' Kai de natsipin-jaré ny haraton-jaré ary tsy nahavita nampiakatra zany tao nohon'ny habetsaky ny lôka.7Avy te hoy lay mpianatra zay tian'i Jesosy tamin'i Petera hoe: ''Ny Tompo io.'' Kôfa regnin'i Simona Petera fô ny Tompo io, de nampiditra ny ambônin'ankajony izy (satrià tsy niakanjo izy), kai nitsambikigna tagnaty ranomasigna. 8Iré mpianatra hafa nankao an-tsambokely (satrià zaré tsy lavitra ny tanety, také amin'ny roanjato hakiho teo), ary nisintogna ny harato feno lôko. 9Kôfa tafiakatra an-tanety zaré, de nahita afon'arigna tamin'ny lôko te ambôniny, miaraka amin'ny môfo.10Hoy Jesosy taminjaré hoe: "Mitondrà lôko maromaro aminiré vao azonaré te." 11Ary niakatra Simona Peteraka kai nisintogna an-tanety ny harato, zay feno lôka maventy; 153.Tegna maro bé, kanaifa tsy nitriatra Ilay harato.12Aozy Jesosy taminan-jaré hoe: "Avià hihinagna mandraigna:" Tsisy tamin'ire mpianatra nasahy nagnontany Ananjy hoe: ''Izôvy mô Anô?'' Fantan-jaré fô ny Tompo io. 13Nagnatogna Jesosy, nandray ny môfo, ary nagnomia zaigny anjaré, karanjagny koà ny lôka. 14Fagnintelony amin'io no nisehoan'i Jesosy tamin'ire mpianatra tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty.15Kôfa avy nihinagna lay hanigna nandraigny zaré, de aozy Jesosy tamin'i Simona Petera hoe: "Simona zanak'i Jaona, tià Anahy mihoàtra noho iré mô anô?" Hoy Simona Petera taminanjy hoe: "IaTompo, fantanô fô tià Anô zaho.'' Aozy Jesosy taminanjy fahano iré ondriko." 16Nivôlagna am-pagnindroa ndraiky Izy hoe:'' Simona zanak'i Jaona, tià Anahy mô anô?'' Aozy i Petera taminanjy hoe: "Ia Tompo, fantanô fô tià Anô zaho.'' Aozin'i Jesosy taminanjy hoe: "Karakaray ny ondrianahy.''17Nivôlagna taminanjy am-pagnitelo izy hoe: "Simona, zanak'i Jaona, tià Anahy mô anô?'' De nalahelo Petera satrià Jesosy nagnano intelo taminanjy hoe: "Tompo, Anô mahafatantra ny raha jiaby,fantanô fô tiàko Anô'' Aozy Jesosy taminanjy hoe: "Fahano ny ondriànahy.'' 18Volagniko aminô marigna, de marigna tikoàtra, tamin'ny anô mbôla tanora, de zatra nampiditra raika ny ankanjonô ary nandaiha tamin'zay tianô, fô kôfa nahai-antitra anô, de haninjitra ny tagnanô, ary ôlon-kafa no hampiakanjo anô sy hitôndra anô amin'zay lalagna tiànô andihanagna.''19Ary Jesosy nivôlagna zaigny mbô hahafantaragna hoe amin'ny karazagna fafataisagna karaha ino no agnomianazan'i Petera voninahitra an'Andriamanitra. Kôfa avy nivôlagna an-jagny Izy, de Aozy tamin'i Petera hoe: "Magnaraha Anahy."20Nitodika Petera kai nahita lay mpianatra zay tiàn'i Jesosy nagnaraka Ananjy zaré, lay raika zay niankigna ampitan'i Jesosy ndraika koà tamin'ny fihinanagna ary nagnano hoe: "Tompo, izôvy lay hamadika Anô?" 21Nahita ananjy Petera ary aoziny avy te tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, ino no natôn'i lalahy io?''22Aoziny Jesosy taminanjy hoe: "Kô tiàko hitoetra izy mandra-piaviàko, de midika ino zagny aminô? Magnaraha Anahy.'' 23Kai niparaitaka teo amin-jaré mpiralahy zagny teny zagny, fô tsy ho foaty io mpianatra io. Naifa Jesosy tsy nivôlagna tamin'i Petera fô tsy ho foaty lay mpianatra hafa, fô hoe: "Kô tiàko hitoetra izy mandra-piaviàko, de midika ino zagny aminô?''24Izy lay mpianatra zay nijoro vavolombelogna mômba iré raha iré, sy lay nanôratra iré, ary fantatsika fô marigna ny fagnambarany. 25Misy raha maro hafa koà zay natôn'i Jesosy. Kôfa voasôratra tsiraikiraiky aby zagny, de hiveriko fô na de zao tontolo zao aza tsy ho hômby ny boky zay ho soratagna.

Acts

Chapter 1

1Ny boky nisoratako talôha, ry Teofilo, de magnambara ny jiaby zay natombok'i Jesosy sy nampinariny, 2hatramin'ny andro nampiakaragna ananjy, avake de nagnàsa irè Apostoly zay nifidiny tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigna Izy. 3Tafaran'ny nijaliany, de nampiseo ny taignany velogna taminjaré Izy niaraka tamin'iré porofo mandresy lahatra maro. Niseo tamin-jare Izy tagnatin'ny efapôlo andro, ary niraisaka mômban'ny fanjakan'Andriamanitra.4Kôfa nitrôtra tamin-jare Izy, de nagnàsa anjaré tsy hiala akô Jerosalema, fô nandigny ny fampagnatiniagnan'ny Ray, mômba zay, nivolagniny hoe: "Naregny taminahy anaré, 5fô nagnano Batisa tamin'ny rano tikoàtra i Jaona, fô anaré de tôkony hatô Batisa amin'ny Fagnahy Masigna akô agnatin'ny andro vitsy.''6Kôfa tafavory niaraka zaré de nagnontany Ananjy zaré hoe: "Tompo, zao mô ny fotoagna hangiraignanô ny fanjakan'Israely?'' 7Aoziny taminjaré hoe: "Tsy anaré no ahay ny fotoagna na irè vanin'andro zay nitindren'ny Ray tamin'ny fahifagna manôkagna. 8Fô kôfa tônga ndraiky ny Fagnahy Masigna de ahazo hery anaré, kay ho lasagna vavolombeloko airan'ny Jerosalema sy Jodia jiaby ary Samaria, hatrany amparan'ny tany.''9Kôfa nivôlagna zegny i Jesosy Tompo, de niandrandra zaré, ary nakarigna Izy, ary ny rahogna nanakogna Ananjy tagnatraihanjaré. 10Kô mbôla nimbanjigna ny lagnitra igny zaré tamin'ny nandianany, tampoka te, nisy rolahy nagnatô akanjo fotsy nitsangagna tankilanjaré. 11Nivôlagna taminjaré hoe: "Ry lalahy avy agny Galilia, magnino aké anare no mitsangagna akéto mizaha ny lagnitra? Igny Jesosy nalaigna taminaré zay nampakarigna agny an-dagnitra igny, de mbôla hierigna kara ny nahitanaré ananjy niakatra agny an-dagnitra te igny.12Avake te zaré de niherigna tagny Jerosalema avy takô amin'ny tendrombohitr'Oliva, zay mariny Jerosalema, mitovy amin'ny diàn'ny andro Sabata raika. 13Kôfa tônga zaré, de niakatra takô amin'ny efitra ambôny etazy, zay nitoeranjaré. Zaré de i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo ary Jodasy zanak'i Jakoba. 14Nitambatra ho raika izy jiaby, ary nazoto nivavaka. Agnisan'izegny irè viavy, Maria maman'i Jesosy, sy irè ralahiny.15Tamin-jegny andro zegny i Petera de nitsangagna tantaignantaignan'iré ralahiny, amin'ôlogna 120 te, ary nivôlagna 16hoe: ''Ry ralahy, taigna nilaigna ny fantatirahan'ny Sôratra Masigna, zay nambaran'ny Fagnahy Masigna mialôha tamin'ny vavan'i Davida mômba an'i Jodasy, zay nitôndra iré ôlo nanambotra an'i Jesosy.''17Fô agnisan'ny raika amintsika izy ary nahazo ny anjarany tamin'zao fanompoagna zao.'' 18(Avaizo i lalahy io de nividy atiàla tamin'ny vôla azony tamin'ny faratsiagna izy, ary lavo niankôhitra te izy, kay nisôkatra sy nipôhàka ny vatany, ary nivoakà dahôlo ny tsinainy. 19Iré ôlo jiaby takô Jerosalema de naregny ny mômba zegny, ary nagnantso io atiàla io taminjare hoe: "Akeldama'', zagny: "Sahan-dRà.'')20Fô aifa voasôratra akô amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: "Ambilay ho lao ny tsabony, ary aza availa na de ôlogna raika aza hipaitraka akô; 'Ambilay ho raisin'ny ôlon-kafa ny andraikitrananjy."21Noho zagny, de ilaigna, ny raika amin'iré lalahy niaraka tamintsika nandritran'ny fotoagna jiaby nidiran'i Jesosy Tompo sy ny nivoahany takéto amintsika, 22hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro niakarany takéto amintsika, de tsy maintsy vavolombelogna miaraka amintsika amin'ny fitsanganany.'' 23Ary namaitraka roa lahy zaré, de i Josefa nantsôvigna hoe Barsabasy, na atô hoe Josto, ary Matia.24Nivavaka zaré nivôlagna hoe: "Anô, ry Tompo, no mahay iré fon'ny ôlogna jiaby, kay volagno zay fidinô amin'izy roalahy 25mbô halaka ny toairagna akato amin'zay fanompoagna zao sy ny maha Apostoly nohon'ny fandikan-dalàgna zay nataon'i Jodasy handaiha ho agny amin'ny toairagna manôkagna. 26Zaré de niloka ho anjaré, ary nilatsaka tamin'i Matia ny filokagna, ary voaisa ho Apostoly raika ambin'ny fôlo izy."

Chapter 2

1Nony tônga ny Pantekosta, niangogna tamin'ny toeragna raika izy jiaby. 2Tampoka také avy agny an-dagnitra nisy feo kara rivotra mahery nifofofo, ary nameno ny tragno jiaby zay nipitrahan-jare. 3Nisy afo niendrika laila maro zay nirasarasa, ary nipaitraka tambônjare tsiraikaraika aby. 4Izy jiaby de feno ny Fagnahy Masigna ary nanomboka nivôlagna tamin'ny fivolagnana maro samy hafa, araka ny namian'ny Fagnahy Masigna hivolagnanjare.5Ary nisy Jisoy zay nipaitraka takô Jerosalema, ôlon'Andriamanitra, avy amin'ny firenena jiaby amban'ny lagnitra. 6Kôfa naregny zegny feo zegny, de tônga niaraka iré vahoàka sady niasa saigna satrià ny tsiraikaraika de samy naregny anjaré nivôlagna tamin'ny fivolagnany aby. 7Zaré de talanjona sy gaga ke nivôlagna hoe: "Marigna, fô tsy iré jiaby mivôlagna iré mô no Galileanina?8Magnino ndraiky zaré mivôlagna amin'ny fivolagnantsika tsiraikaraika aby zay natômbo antsika ? 9Partianina sy Medianina ary Elemita, ary iré zay mipaitraka agny Mesopotamia, agny Jodia sy Kapadokia, agny Ponto sy Asia, 10Frygia sy Pamfylia, agny Égypta ary Libya hatragny amin'i Kyrena, ary iré mpitsidika avy agny Roma, 11Jiosy sy Proselyta, Kreatana ary Arabo, de regnintsika miraisaka amin'ny fivolagnantsika mômba ny asa maventy atôn'Andriamanitra.''12Zaré de magnana ary sahiran-tsaigna; ary nifampiraisaka zare hoe: "Ino no dikan-jegny?'' 13Fô iré sanagny nagneso sady nivôlagna hoe: "Izy iré de mamon'ny divaingna vôvô.''14Fô i Petera nitsangagna niaraka tamin'izy raik'ambiny fôlo, nampiakatra ny feony, ary nivôlagna taminjaré hoe: "Ry lalahy Jodea sy anaré jiaby zay mipaitraka akéto Jerosalema, ôka ho fantanaré zao, tandremo iré teniky. 15Ho an'iré ôlo tsy mamo araka zay heverinare, fô vô laira fatelo amin'ny andro zao.16Fô zao lay vôlaza tamin'i Joela paminagny: 17'Amin'ny andro farany,' Andriamanitra mivôlagna hoe: 'Halatsako amin'ny ôlo jiaby ny Fagnahiky. Iré zanakaré lahy sy ny zanakaré viavy de haminagny, ny ngôndahinaré de hahita fahitagna, ary ny antidainaré hagninôfy nôfy.18Karanjegny koà ny amin'iré panompoko lahy sy ny panompoko viavy amin'iré andro re. Halatsako ny Fagnahiky, ary zaré de haminagny. 19Zaho de hampiseo raha mahamagnana agny amin'ny lagnitra ambôny, rà, afo, ary hembokafo.20Ny masoandro de hanjary haizigna ary ny davôlagna hanjary rà, mialôhan'ny andro maventy sy miavaka hiàvian'ny Tompo. 21Ary ny ôlo jiaby zay magnantso ny agnaran'Andriamanitra de ho voàvonjy.22Ry ôlogn'Israely, tandrignaiso izô teny izô: Jesosy avy agny Nazareta, lay ôlogna nampisehoagna anaré tamin'ny alalan'Andriamanitra mbô ho marigna amin'iré asa maventy, iré fagagagna, ary iré famantaragna zay natôn'Andriamanitra taminanjy tagnivon'iré, araka ny hain'ny taignanaré. 23Io lalahy io de natôlotry ny drafitr'Andriamanitra zay aifa nomagnina mialôha sy ny falalagnany, ary ny tagnan'ny mpandinika lalàgna sy anaré, namono Ananjy tamin'ny famantsaiagna Ananjy tamin'ny kakazofijaliagna. 24Fô Andriamanitra nanangagna Ananjy, nagnafaka Ananjy tamin'iré fanaintaignan'ny fafataisagna, satrià sarotra ho Ananjy ny niala tamin-jegny.25Fô Davida mivôlagna mômba ananjy hoe, "Nahita ny Tompo tagnatraihako mandrakariva za, fô akéto an-tangnanan-kavanako Izy kay tsy tôkony hangôzohôzo za. 26De taigna faly ny fôko ary niravoravo ny lailako. Ary koà, ny nôfoko hivelogna amin'ny fatokiagna.27Fô tsy nialanô ho agny amin'ny Fiainan-tsy hita nagnombaila ny Ray Masinô ho lô anô. 28Nampafatatra anahy iré lalan'ny fiainagna Anô; Anô de hameno fifaliagna anahy amin'ny endrikanô.'29Ry ralahy, afaka miraisaka aminaré am-pitokiagna mômba an'i Davida Patriarika za: aifa maty izy no nalevigna, ary ny fasagnananjy de akéto amintsika mandrakigniany. 30Noho zegny, paminagny izy ary fantany fô aifa nifanta tamin'Andriamanitra, fô ny taranany no ho amin'ny sezy fiandrianany. 31Aifa hitany zegny de niraisaka mômban'ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny fafataisagna, sady izy tsy navaila takô amin'ny fiainan-tsy hita, no tsy nagnano ny nôfony ho trakatrin'ny falovagna.'32Io Jesosy io- Andriamanitra no nanangagna Ananjy, kay vavolombelon'izegny zaihay jiaby. 33Noho zegny kôfa nasandratry ny tagnana ankavanagnan'Andriamanitra Izy de nandray ny Fagnahy Masigna nampagnantigniany avy tamin'ny Ray, aifa narotsany zegny, zay hitanare sy regninare.34Fô Davida de tsy niakatra tagny an-dagnitra, fô izy nivôlagna hoe: 'Ny Tompo nivôlagna tamin'ny Tompoko, ''mipitraha akéto an-tagnana ankavanagnako, 35mandra-pagnanôvako ny favalonô ho fitoeran-tongotranô.''' 36Noho zegny, ôka ho fantatry ny jiaby ny tragnon'Israely fô Andriamanitra no nagnano Ananjy ho Tompo sy Kristy, ilay Jesosy zay nifantsianaré.''37Ary kô naregny zegny zaré, vôtsindrogna ny fônjare, ary nivôlagna tamin'i Petera sy irè Apostoly ambiny hoe: ''Ralahy, ino no tôkony ho atônay?'' 38Avake Petera nivôlagna taminjaré hoe: ''Mibaibaha magnanôva Batisa, anaré tsiraikaraika aby, amin'ny agnaran'i Jesosy Krisity ho familagna ny fahotanaré, sy handraisanaré, ny fagnomaizan'ny Fagnahy Masigna. 39Fô ny fampagnatiniagna de ho anaré sy ny zanakaré ary iré jiaby zay lavitra, kay ho baitsaka iré ôlo zay ho antsôvin'Andriamanitra Tompotsika.''40Niaraka tamin'ny teny maro hafa no nijoroany ho vavolambelogna sy nandrisihanany anjaré; nivôlagna izy hoe, ''Vonjé ny taignanaré amin'itô taranaka ratsy fagnahy itô.'' 41Ary izy iré nandray ny teniny kay natô Batisa, ary tôkony fagnahin'ôlo telo arivo aké no nampiagna tamin'io andro io. 42Nanohy sy niaraka nagnano ny asa fitoriagna sy ny fampianaragna ny apostoly zaré, tamin'ny fanapahagna ny môfo sy ny fivavahagna.43Tônga tamin'ny fagnahin'ny tsiraikaraika ny tahotra, ary fagagagna sy famantaragna maro no vita tamin'ny alalan'ny Apostoly. 44Iré jiaby nino de niangogna ary nanagna raha nitovy, 45ary zaré de nivarotra ny taniny sy ny fanagnany kay nizara zegny tamin'iré jiaby, arak'izegny nilainy aby.46Ary isan'andro isan'andro de nitohy nanompo tamin'ny fomba fijery mitovy, ary takô an-deglizy zaré, sy nanapaka ny môfo tan-dragno, ary nizara hanigna tampifaligna sy fo feno fanitrian-taigna; 47nidaira an'Andriamanitra ary nahazo fankasitrahagna tamin'ôlo jiaby. Isan'andro ny Tompo de nagnampy ny isan'ire zay voavonjy.

Chapter 3

1Ary Petera sy Jaona niakatra tagny amin'ny tempoly tamin'ny laira fivavahagna, ny laira faha sivy. 2Ary nisy lalahy nalemy letry votairaka nindôsigna isan'andro tagny amin'ny vavahady tsara endriky ny eglizy, mbô hangataka fagnomaizagna ara-bôla agny amin'iré ôlogna zay mandaiha à legilizy. 3Kôfa nahita an'i Petera sy i Jaona zay handaiha hiditra a legilizy, de nangataka fagnomaizagna ara-bôla tamin-jaré izy.4Nimbanjigna ny masony niaraka tamin'i Jaona i Petera de nivôlagna hoe: "Zahà zaihay. 5Ilay lalahy malemy nizaha aninjaré, nagnataigna ny ahazo raha avy amin-jaré. 6Naifa i Petera nivôlagna hoe: vôla fotsy sy vôla mena tsy anagnako, naifa zay anagnako, no hamiako anô. Amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy avy agny Nazareta, mandihana."7Nandray ananjy tamin'ny tagnana ankavanagna, i Petera nanangagna ananjy, ary tonga de lasa natantanjaka ny tongotr'lay lalahy sy ny kitrokeliny. 8Nitsambikigna, lay lalahy malemy de nitsangagna ka nanomboka nandaiha; ary niaraka niditra tamin'i Petera sy i Jaona takô alegilizy izy, ary nidaira an' Andriamanitra.9Ny ôlogna jiaby de nahita ananjy nandaiha sy nidaira an'Andriamanitra. 10Tsikaritran-jaré fô izy lay lalahy nangakataka fagnomaizagna ara-bôla tamin'iré ôlogna také amin'ny Vavahady Tsaran'ny eglizy; ary taigna gaga sy talanjogna zaré noho ny raha nitranga taminanjy.11Ary noho izy hitagna an'i Petera sy Jaona, ny ôlogna jiaby de nirohitra nankagny amin-jaré tagny amin'ny fialôfagna zay nantsôvigna hoe fialôfan'i Solomona ny ôlogna jiaby ary taigna talanjogna. 12Kôfa nahita zagny i Petera de namaly ny ôlogna hoe: "Anaré vahoakan'Israely, nagnino no talanjogna anaré? Nagnino ny masonaré no mandinika anay, karaha hoe herinay na famasinagnanay manôkagna no nampadaiha ananjy?"13Ny Andriamanitry Abrahama, y an'Isaka, ary an'i Jakoba, lay Andriamanitr'iré papantsika, nagnomià voninahitra an'i Jesosy mpanompony. Izy natôlonaré sy nilavinaré také anoloagnan'i Pilato, tamin'izy nanapa-kevitra ny agnodaifa ananjy. 14Nilavinaré lay raika zay Masigna sy Marigna ary naleonaré nangataka lay mpamono ôlogna mbô ho alaifa ho anaré.15Nivoninaré ny Mpagnôrigna fiainagna, zay natsagan'Andriamanitra tamin'ny maty_ary vavolombelogna zagny zahay. 16Avaizo, noho ny finoàgna amin'ny agnarany_lay lalahy zay hitanaré sy fantanaré_igny agnaragna igny foàgna no nahatônga ananjy hahery. Ny finoagna avy amin'i Jesosy no nagnomià zo fagnasitragnana feno ananjy akéto agnataihanaré jiaby.17Avaizo, ny ralahy, fantako fô nagnano zagny anaré noho ny tsy falalagnanaré, karaha natôn'iré mpitôndra anaré koa. 18Fô iré raha zay voalazan'Andriamanitra mialôha tamin'ny vavan'iré mpaminagny jiaby, hoe tôkony hijaly ny Kristiny, fô aifa tantairany avaizo.19Mibebaha, noho zagny, ary mihiraigna, mbô hivonigna ny fahotanaré, mbô ho tônga ny fotoagna mavelombelogna eo agnantraihan'ny Tompo; 20ary mbô handaifa an'ilay Kristy zay voatendry ho anô izy, de i Jesosy.21Izy lay tsy maintsy ho raisin'ny Lagnitra ambara-pahatongavan'ny laira famirainagna amin'ny laoniny ny raha jiaby, mômban'zay nivolagnin'Andriamanitra talôha tamin'iré vavan'iré mpaminagny masigna. 22Nivôlagna tikoatra i Mosesy hoe: 'Ny Tompo Andriamanitra de nanangagna mpaminagny karaha anahy avy amin'iré ralahinaré. Anaré hitandregny ny raha jiaby zay hivolagniny aminaré. 23Hitranga ny hoe zay ôlogna jiaby tsy mitandregny zagny de ho ringagna tantairaka tsy ho ao amin'ôlogna.'24Agny, ary iré mpaminagny jiaby nanomboka te amin'i Samoela sy iré zay tônga tafarany, de nivôlagna mafy sy magnambara iré andro iré. 25Anaré no zanak'iré mpaminagny sy ny fanekegna zay natôn'Andriamanitra tamin'iré razambé, araka ny nivolagnin'i Abrahama hoe: 'Ao amin'ny taranakanô de ho tahigna iré fianakaviagna jiaby eran-tany.' 26Tafaran'ny nananganan'Andriamanitra ny mpanompony, de nandaifa ananjy ho anaré alôha izy, mbô hitahy anaré amin'ny fialanaré amin'ny faratsiagnanaré.''

Chapter 4

1Kô nikoragna tamin'iré vahoàka i Petera sy Jaona, de tônga iré mpisorogna sy ny lehiben'ny mpiambigna ny eglizy ary iré Sadoseo. 2Vignitra mafy zaré noho i Petera sy Jaona nampianatra ny vahoàka sy nitory ny fitsagagnana amin'ny maty tamin'ny alalan'i Jesosy. 3Nisambôrigna zaré ary natô tam-ponja mandra pikiaka andro, satrià aifa hariva ny andro tamin'zagny. 4Kanaifa maro tamin'iré ôlogna zay naregny ny hafatra no nino; ary ny isan'iré lalahy zay nino de dimy arivo také.5Ary kôfa amaraignaniny de niangogna takô Jerosalema ny panapakanjare, zôkiôlogna ary ire panôra-dalagna. 6Te i Anasy pisorognabe, Kaiafa, Jaona, sy zay jiaby havan'iré mpisorognabe. 7Kôfa narôsony tagnivon'i Petera sy Jaona, de nagnontany ananjy iré hoe: "Amin'ny hery ino, no nagnanovanaré zagny?"8Avy té i Petera, feno ny Fagnahy Masigna, nivôlagna anjaré hoe: "Anô ry mpanapaka ny vahoàka, sy ny lôhôlogna, 9kô nagnotaniagna mômban'ny asa soa natônay tamin'io lalahy narary io tamin'io andro io_tamin'ny fomba ahoana no nahasitrana io lehilahy io? 10De aoka ho fantanaré jiaby ary ny vahoakan'Isiraely jiabe, fô tamin'ny agnaran'i Jesosy Kristy avy agny Nazareta, zay nombohinaré, ilay natsagan'Andriamanitra tamin'ny maty_ tamin'ny alalany no ijoroan'itô lalahy tô mahivagna akéto amasonaré."11Jesosy Kristy de vato zay natônare mpagnano tragno tsisy dikany kanaifa aifa natô ho lôhan'ny vato fezoro. 12Ary tsy misy famonjiagna avy amin'ny hafa, fô tsisy agnaragna hafa ambanin'ny lagnitra namiagna ôlo zay tsy maintsy havonjy antsika.''13Ary kôfa nahita ny fasahiagnan'i Petera sy Jaona zare, ary natsapa fô ôlon-tsotra, ôlo tsy nandià fianaragna fô niaraka tamin'i Jesosy i Petera sy Jaona. 14Satrià zare nahita lay lalahy zay sitragna nitsangagna niaraka taminjaré, kay tsy nahita ra koragnina hanohairagna zegny zare.15Fô kôfa avy nandidy irè Apostoly hiàla fivoriàgnan'ny filan-kevitra zare, de nifampiraisaka zare. 16Ahozy zare hoe: ''Ino no tôkony ho atô amin'ireto lalahy irè ? Noho ny fagagagna vita tamin'ny alalan-jare de fantan'ôlo jiaby mipaitraka akéto Jerosalema, ary tsy azontsika lavigna. 17Fô mbô tsy hiparitahan'izegny amin'ny vahoàka, de handô antsika hampitandrigna azy irè mbô tsy hivôlagnanjare zegny agnaragna zegny intsony. 18Natsôviny hiditra i Petera sy Jaona ary nivôlagniny zare tsy hivôlagna sy tsy hampianatra amin'ny agnaran'i Jesosy intsony.19Kanaifa namaly azy irè i Petera sy Jaona nivôlagna hoe: "Ra marigna imason'Andriamanitra ny magneky anare mihoàtra Ananjy, de anare no mitsarà. 20Tsy afaka ny hijanogna tsy hivôlagna momba irè raha hitanay sy regninay zaihay.''21Tavafaran'ny fampitandraimagna an'i Petera sy Jaona de navailany nandaiha zare. Fô tsy nahita fomba hagnasaziagna azy irè zare, satrià nidaira an'Andriamanitra irè vahoàka noho ny ra-haifany. 22Ilay lalahy zay niaigna ny fagagagna sy fagnasitragnana de nihoàtra aifa-pôlo tôgna.23Tavafaran'ny nagnafahagna azy irè, de tônga tamin'ny vahoàkany i Petera sy Jaona ary nitateriny azy irè zay jiaby nivolagnin'ire lôhan'ny mpisorogna sy irè lôhôlogna taminjare. 24Kôfa regnin-jaré zegny, de niara-nanandratra ny feonjare ho an'Andriamanitra zare kay nivôlagna hoe: "Tompo, anô no nagnano ny lagnitra sy ny tany sy ny ranomasigna, ary zay jiaby aminy. 25Nivôlagna tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigna tamin'ny vavn'ny panomponô, ny raintsika Davida Anô hoe: 'Nagnino no Vignitra irè firenena Jentilisa, sy irè ôlo zay mieritreritra raha tsisy ilagna ananjy?'26Anare mivôlagna hoe: Ire Mpanjakan'ny tany de nitambatra, ary irè panapaka de nivondrogna hanôhitra ny Tompo, sy hanôhitra ny Kristiny.'27Fô aifa i Heroda sy Pontsy Pilaty, zay niaraka tamin'ire Jentilisa sy irè vahoàkan'Israely, no niara-niangogna takô an-tanàgna hanôhitra an'i Jesosy panomponare, zay nosoranare. 28Niara-nivory zare mbô hagnano zay jiaby natôn'ny tagnanare sy irè drafitrare zay aifa notapahinjare ho atô mialôha.29Avaizo, Tompo, saha irè fampitandraiman-jare ary amiagna irè panomponô mbô hivolagnany ny teninô an-kasahiàgna tantairaka. 30Ahinjiro ny tagnanô mbô nagnasitragna, ary hagnamia irè famantaragna sy fagagagna amin'ny alalan'ny agnaran'i Jesosy tomponô masigna.'' 31Kôfa avy nivavaka zare, de nihôzongôzogna ny toeragna zay niarahanjare nivory, ary feno ny Fagnahy Masigna izy jiaby ary nilaza ny tenin'Andriamanitra an-kasahiàgna.32Ny ankabaizan'ire zay nino de fo sy Fagnahy raika. Tsisy nivôlagna fô ny raha zay azony de ananjy manôkagna, fô raha niarahan-jare nanagna. 33Niaraka tamin'ny hery maventy no nagnambaran'ny Apostoly ny fijoronjare vavolambelogna momba ny fitsagagnan'i Jesosy Tompo tamin'ny maty, ary fasoavagna maventy no tamin'izy jiaby.34Tsisy ôlo nanan-draha mahory taminjare, fô zay jiaby nanagna tany na tragno de nambidy ary nitôndra ny vôlandraha jiaby zay lafo. 35Ary napaitraka tan-tongotr'ire Apostoly, ary nitsaraigna tamin'ôlo tsiraikaraika arak'izay ilainjare.36Josefa, Levita raika, lalahy avy agny Sipra zay nantsôvin'ire Apostoly hoe: Barnabasy (zay midika hoe Zanaka lahin'ny Fampahiraizagna), 37nivarotra tany sy nitôndra ny vola ary namaitraka azy tan-tongon'ire Apostoly.

Chapter 5

1Fô nisy lalahy raika antsôvigna hoe Ananiasy, niaraka tamin'i Safira vadiny, nivarotra anjara tany, 2ary nitagnany ny sanany tamin'iré vôla vidiny (ny vadiny koà nahay zagny), ary nitôndra ny ampahany hafa tamin'zagny ary namaitraka ananjy teo an-tongotr'iré Apostoly.3Fô Petera nivôlagna hoe: "Ananiasy, nagnino no nifinoanô Satana lainga ny fonao handainga amin'ny Fagnahy Masigna, sy hitagna ny ampahany tamin'lay vidin-tany? 4Kô mbôla tsy lafo zagny, tsy nidôko ho fanagnanô manôkagna mô zagny, tsy teo amin'ny fahefagnanao mô zagny? Akôry no nieritreretanô zagny raha zagny tao amin'ny fonao? Tsy nandainga tamin'ôlogna anô, fô tamin'Andriamanitra." 5Kôfa naregny iré teny iré, de lavo tamin'ny tany i Ananiasy kai afak'aigna, ary feno tahotra maventibe ny ôlo jiaby naregny zagny. 6Ary iré tôvolahy de nirôso kay namôgno lamba ananjy, kay nindôsin-jaré nivoàka izy ary nalevigna.7Tafara laira tafarany igny de niditra ny vadiny, mbôla tsy nahay zay nitranga. 8Petera nivôlagna taminanjy hoe: "Volagno aminahy kô zagny no namarôtanaré lay tany." De aozy: "Ia, noho zagny."9Avy te i Petera nivôlagna ananjy hoe: "Nagnino anaré no nagneky hiara-hitsapa Fagnahin'ny Tompo? Indro, iré tongon'iré ôlogna zay nandevigna ny vadinao de eo an-tamiagna, ary hamoaka anô zaré. 10Ary lavo teo no eo té amin'ny tongony izy ary afak'aigna. Kôfa niditra tao iré tôvolahy, de nahita ananjy maty, kai nitôndra ananjy nivoàka sy nandevigna ananjy tankilan'ny vadiny. 11Natahotra aby ny fiangonana manontolo, sy iré ôlo jiaby zay nandré zagny raha zagny."12Famantaragna sy fagagagna maro no niseho tamin'iré vahoàka tamin'ny tagnan'iré Apostoly. Niaraka také amin'ny fialôfan'i Salomona zaré. 13Fô tsisy ôlogna hafa nanagna fasahiagna hiaraka amin-jaré; kanaifa, ny vahoàka de nanandratra fankasitrahagna avo anjaré.14Ary vao maika nihaimaro iré mpino zay nagnampy isa ny Tompo, andian-dalahy sy viavy, 15kay nindôsin-jaré tagny an-dalàgna hatramin'ny marary ary nampandrén-jaré tam-bôny fandriagna sy farafara, kay kôfa mandalo i Petera, de mety mbô hagnaloka ny sanany amin-jaré ny alokany. 16Té foàgna koà de maro ny vahoàka no niara-tônga avy amin-jaré tanàgna magnodidigna agny Jerosalema, nitôndra ny marary sy ré zay nampahorin'ny fagnahy maloto, ary de sitragna izy jiaby.17Fô nitsangagna ny mpisorognabe, sy iré zay niaraka taminanjy (zay sekta an'iré Sadoseo); ary de feno fialognana zaré 18ary nisambotra an-kery reo Apostoly, ary nampiditra ananjy iré tagny an-tragno maizigna.19Ary nandritran'ny aligna de nisy anjelin'ny Tompo nanôkatra ny tamiagnan'ny fonja ary namoàka an-jaré takô, sy nivôlagna hoe: 20"Mandihana, mitsangagna ao amin'ny eglizy ary mivôlagna amin'ôlogna iré teny jiabin'itô fiainagna tô." 21Kôfa naregny zagny zaré, de niditra tao a legilizy zaré mbôla nandraigna kay nampianatra. Fô tônga ny mpisorognabe, sy iré zay niaraka taminanjy, ary nagnatso ny filan-kevitra jiaby, iré lohôlogna jiabin'ny vahoàkan'Israely, ary nalaifa tagny am-ponja mbô hamoaka iré Apostoly.22Fô kôfa tônga lay mpiandry raharaha de tsy nahita anin-jaré tao am-ponja, kay niherigna zaré ary nitatitra hoe: 23"Nahita ny tragno maizigna nihidy tsara zaihay ary ny mpiambigna de nijoro nandigny tan-tamiagna, fô kôfa nisokafinay zagny, tsy nahita ôlogna tagnatiny zaihay."24Ary kôfa naregny zagny ny mpiambigna ny eglizy sy iré mpisorogna be, de very hevitra tantairaka zaré nahakasika ny raha nitranga. 25Fô nisy ôlogna tônga ary nivôlagna tamin-jare nagnano hoe: "Iré lalahy zay natônaré ta andragnomaizigna de mitsangagna ao amin'ny eglizy ary mpampianatra ny vahoàka."26Ary lasagna ny lehiben'ny mpiambigna niaraka tamin'iré mpiandry raraha, ary nitôndra ananjy niherigna, fô tsy tamin'ny herisetra, satrià natahotra ny vahoàka zaré sabeky hitoraham-bato. 27Kôfa nitôndra aninjaré zaré,de nandaifa ananjy reo te agnantraihan'ny filan-kevitra.Nagnadihady ananjy ré ny mpisorogna be, 28nivôlagna hoe: "Nirarany mafy anaré mbô tsy hampianatra amin'io agnaragna io kanaifa, nifinoànaré ny fampianaranaré i Jerosalema, ary tianaré ho tômpon'andraikitra amin'io lalahy io zaihay."29Fô i Petera sy iré Apostoly namaly hoe: "Zahay de tôkony hagneky an'Andriamanitra nohon'ny ôlogna. 30Ny Andriamanitrin'ny razanay nanangagna an'i Jesosy, zay nivoninaré tamin'ny fagnatôgnana Ananjy té amin'ny kakazo. 31Andriamanitra nanandratra Ananjy teo amin'ny tagnan-kavanagnany mbô ho Tompo sy Mpamonjy, mbô hagnomià fibaibahagna ho an'Israely, sy familagna ny heloka. 32Zahay de vavolombelogna ny amin'zagny raha zagny, ary koà ny Fagnahy Masigna, zay namiàn'Andriamanitra ho an'iré magneky Ananjy."33Kôfa naregny zagny iré tao amin'ny filan-kevitra, de vignitra zaré sady tiàmono iré Apostoly. 34Fô nisy Fariseo raika nantsôvigna hoe Gamaliela, mpampiana-dalàgna, zay najain'ôlo jiaby, nitsangagna ary nandidy iré apostoly mbô ho alaigna aby hely agny ivailany.35Ary izy nivôlagna tamin-jaré hoe: "Lalahy Israely, tandremo tsara ny amin'ny raha zay ho atonaré miaraka amin'iré ôlogna iré. 36Fô tagny alôha tagny, Teodasy nivôlagna ny taignany ho raha, ary vôndron'ôlogna, tôkony ho efa-jato, nagnaraka ananjy. Nivonigana izy, ary iré jiaby zay nagneky ananjy de niparitaka ary tônga tsinontsinogna. 37Avy té io lalahy io, Jodasy avy agny Galilia de nitsangagna tamin'ny andron'ny fagnisagna ary nitaogna ôlogna maromaro hagnaraka ananjy. Izy koà de nivoninaré, ary iré jiaby iré de niparitaka.38Ary avaizo de volagniko aminaré, magnalavira an'iré lalahy iré ary ambilay raika zaré, fô kô avy amin'ôlogna io drafitra na io asa io, de ho foàgna zagny. 39Fô kô avy amin'Andriamanitra ndraiky, de tsy ho azonaré foàgna iré; mety ho hitanaré aza fô miady amin'Andriamanitra anaré.'' De resy lahatra zaré.40Ary nagnatso an'iré Apostoly hiditra zaré ary namely sy nandidy anin-jaré tsy hivôlagna amin'ny agnaran'i Jesosy, ary namaila ananjaré handaiha. 41Zaré de nandao ny filan-kevitra tam-pifaliagna satrià mendrika ny hitôndra fafam-baraka ho an'lay Agnaragna. 42Tafaran'zay isan'andro, tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy zaré, teo an-kianjan'ny eglizy sy tamin'ny tragno maro.

Chapter 6

1Ary tamin'izegny andro zegny, kôfa nihanitômbo ny isan'ire pianatra, de nanomboka nisy fitaraignana natôn'ire Jiosy mivôlagna amin'ny teny Grika hanohairagna irè Hebreo, satrià natônjare tsy dikany irè mpitôndra-taignany tamin'ny firasagna hanigna isan'andro.2Ny ro ambiny fôlo de nagnantso ho agny aminjaré sady nivôlagna hoe: "Tsy mety ho antsika ra miàla ny tenin'Andriamanitra mbô hikarakara irè latabatra. 3Noho zegny anare de tôkony mifidy, ry ralahy, fito aminare, lalahy tsara laza, feno ny Fagnahy sy fahindriagna, mbô ho tendrenay hikarakara zegny raraha zegny. 4Raha ny aminay, de hanohy hatragny amin'ny fivavahagna sy amin'ny fampianaragna ny amin'ny teny zaihay.''5Nafinaritra ny ôlo jiaby ny teny natônjare. Kay nifidy i Stefana zare, lalahy feno finoàgna sy Fagnahy Masigna, ary i Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena ary Nikoleo, Proselyta avy agny Antiokia. 6Irè mpino de nitôndra irè lalahy tagnatraihan'ny Apostoly, zay nivavaka sy namaitraka ny tagnany taminjare.7Kay nipaitraka hatragny ny tenin'Andriamanitra, ary ny isan'ny pianatra takô Jerosalema de nianitômbo be, ary mpisorogna maro ne no lasa mpagneky ny finoàgna.8Ary i Stefana, feno fasoàvagna sy hery, de nagnano fagagagna sy famantaragna maventy tamin'ny vahoàka. 9Fô nisy vahoaka sanagny nitsangagna zay an'ny Synagogan'ny Libertina, sy an'ny Kyreniana sy Aleksandriana, ary ny sanagny avy agny Kilikia sy Azia. Ire ôlo irè de niady hevitra tamin'i Stefana.10Izy irè de tsy natôhitra ny fahindriagna sy ny Fagnahy zay nivolagnin'i Stefana. 11Avake de nisy ôlo nagnanôvan-jare kolikoly mbô hivôlagna hoe: ''Aifa regninay i Stefana nivôlagna ratsy momban'i Mosesy sy Andriamanitra.''12Nanaitra ôlo zare, ny lôhôlogna, sy ny panôra-dalagna, de nagnatogna amin'i Stefana zare ary nanambotra ananjy sy nitôndra ananjy tagnatraihan'ire panôlotsaigna. 13Ary zare de nitôndra vavolambelogna diso, de nivôlagna hoe: "Itô lalahy itô de tsy midôka mivôlagna ratsy itô toeragna masigna itô sy ny lalàgna. 14Fô zaihay de naregny ananjy fô i Jesosy avy agny Nazareta io de handrava itô toeragna itô sy hagnôva irè fomba zay natôlotr'i Mosesy antsika.'' 15Ire jiaby zay nipaitraka tamin'ny toeran'ny panolotsaigna de nandinika ananjy kay nahita fô kara anjely ny tarehiny.

Chapter 7

1Ny mpisorognabe nivôlagna hoe: "Marigna mô zagny jiaby zagny?" 2Stefana nivôlagna hoe: "Ry rahalahy sy ry ray, tandrignaiso zaho: "Ny Andriamanitrin'ny voninahitra niseho tamin'i Abrahama baban-tsika tamin'izy tagny Mesopotamia, talôhan'ny nipitrahany tao Harana; 3nivôlagna taminanjy Izy hoe: "Mialà eo amin'ny taninô anô sy re havanô, ary mandihana agny amin'lay tany zay natoroko anô."4Avy eo niala an'lay tanin'ny Kaldeana izy ary nipaitraka tagny Harana; nanomboka te, tafaran'ny nahafetasan'ny papany, nindôsin'Andriamanitra tagny amin'io tany io izy, zay hipitrahanô zô. 5Tsy namiany ho lôva te izy, ahe, tsy ampy hamitrahagna tongotra aby. Fô nagnomia toky izy na de mbola tsy nanan-janaka aza i Abrahama fa izy de hagnomia ny tany ananjy ho fanagnany sy ho an're taranagny agny afarany.6Andriamanitra de nivôlagna taminanjy karanjô, fô re taranany de hipaitraka maharitra agny amin'ny tanin'ny firenen-kafa, ary re mponina ao de hitôndra ananjy re amin'ny fagnandivôzagna sy fampahoriagna mandritry ny efa-jato tôgna. 7'Naifa ho tsaraiko ny firenegna zay tompoen-jaré,' hoy Andriamanitra, 'ary afarany zagny de hagnatogna sy hidaira Anahy eo amin'io toairagna io zaré. 8Avy te namian'Andriamanitra an'i Abrahama ny fagnikiagna amin'ny famoragna, kai i Abrahama de nanjary baban'Isaka ary namôra ananjy tamin'ny andro fahavalo; Isaka de nanjary baban'i Jakoba ary Jakoba nanjary baban're patriarika roa ambin'ny fôlo.9Satria re Patriarika de nialogna an'i Josefa, kai nambidinjaré tagny Egypta izy; fô Andriamanitra de niaraka taminanjy 10ary namonjy ananjy tamin're olagnananjy jiaby. I Josefa de namiany fankasitrahagna sy fahendregna te agnatraihan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, zay namaitrakananjy ho governora manapaka an'i Egypta sy ambonin're fanagnany jiaby.11Ary de tônga ny silôgna nagnairagna an'i Egypta sy Kanana, sy fijaliam-be, ary re razantsika de tsy nahita hanigna. 12Fô kôfa naharegny i Jakoba fô nisy vary tao Egypta, nandaifa re razantsika tamin'ny dianjaré vôlôany izy. 13Tamin'ny dianjaré faharoa i Josefa nampahafantatra ny taignany tamin're rahalahiny, ary ny fianakavian'i Josefa de nanjary fantan'i Farao.14Josefa de nagnasa re rahalahiny hivôlagna an'i Jakoba babany mbô ho avy agny Egypta miaraka amin're havany Jiaby, te amin'ny dimy ambin'ny fitopôlo ôlogna kô atambatra. 15Noho zagny Jakoba de nirôrogna tagny Egypta, ary maty izy, izy sy re razantsika. 16Nilanjaigna ho agny Sekema zaré ary nalevigna tamin'ilay fasagna zay novidin'i Abrahama tamin'ny vôlafotsy tamin're zanak'i Hamora tagny Sekema.17Kôfa nariny ny fotoagnan'lay fampanantinagna zay natôn'Andriamanitra tamin'i Abrahama, de nahaimaro sy nitômbo ny ôlogna tagny Egypta, 18mandra-pitsanganan'ny mpanjaka hafa tagny Egypta, mpanjaka zay tsy nahafantatra ny mômba an'i Josefa. 19Io mpanjaka io foagna no namitaka ny vahoakantsika sy nampahory re razantsika, zaré de nanery ny razantsika handao re zanany ambava loza mbô tsy ho velogna.20Taminjany fotoagna zagny i Mosesy no tairaka; izy de tsara tagnatrehan'Andriamanitra ary nitaizaigna telo vôlagna tan-dragnon'ny Babany. 21Kôfa navoaka tagny ivailagny izy, de ny zanaka vavin'i Farao no nanangagna sy nitaiza ananjy karany zanany lahy.22I Mosesy de nampianarigna re fahindriagna jiaby nanagnan'ny Egyptiana, ary izy de nahery tamin'ny teniny sy ny asany. 23Kôfa ho efapôlo tôgna izy, tônga tam-pony ny hitsidika re rahalahiny, zanak'Israely. 24Nahita Israelita raika zay nampahoriagna kai niaro ananjy Mosesy sady namaly an'lay nampahory ananjy tamin'ny famonoagna lay Egyptianina. 25Nihevitra izy fô ho azon're rahalahiny fô tamin'ny alalan'ny tagnany Andriamanitra no nagnavotra anjaré, naifa de tsy azonjaré zagny.26Ny andro magnaraka de tônga tamin're Israelita sanany izy raha izy re nifanditra; nagnandragna ny nampitony ny tsiraikiraiky aby izy, nivôlagna hoe: 27"A lalahy, mpirahalahy anaré, kai magnino anaré no mifandratra?" Fô ny raika zay nagnano tsy nety tamin'ny namany nanôsika ananjy, ary nivôlagna hoe: "Zôvy no nanendry anô ho mpanapaka sy hitsara anay? 28Tianô mô ny hamono anahy, karaha ny namonoànô re Egyptianina ny omaly?"29Nilaifa i Mosesy kôfa naharegny zagny; lasa mpiavy izy tao amin'ny tanin'ny Midiana, zay nitairahany ny zanany roa lahy. 30Kôfa dila ny efapôlo tôgna, nisy anjely raika nipoitra taminanjy tagny an'efitra tagny an-tendrombohitra Sinay, teo amin'ny lelafon'lay voaroy nirehitra.31Kôfa tazan'i Mosesy lay afo, magnana izy tamin'lay fahitana; ary kôfa nagnatogna izy kai nizaha lay izy, indro avy agny nisy feon'ny Tompo nivôlagna hoe: 32"Zaho no Andriamanitr'ire razanô, Andriamanitr'Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba." Nangitakitaka i Mosesy ary tsy nasahy nizaha.33Ny Tompo nivôlagna taminanjy hoe: "Alà ny kapa amin'ny tongonô, fô io toairagna zay hitsangananô io de tany masigna. 34Aifa hitako tikoatra ny fijaliagnan'ny vahoakako zay ao Egypta, regniky ny fitaraignanjaré, ary aifa nirôrogna nagnavotra anjaré Zaho; kay avahizo, alaifako ho agny Egypta anô."35Io lay Mosesy zay nilavinjaré, kôfa nivôlagna zaré hoe: "Zôvy no nanendry anô ho mpanapaka sy ho mpitsara?" Izy lay tôkagna zay nalaifan'Andriamanitra sady ho mpanapaka no mpagnavotra. Andriamanitra nandaifa ananjy tamin'ny alalan'ny tagnan'ilay anjely zay nipoitra tamin'i Mosesy tagny amin'ny voaroy. 36Nitarika ananjy re hiala tagny Egypta i Mosesy, kôfa avy nagnano fahagagana sy famantaragna tagny Egypta sy tagny amin'ny ranomasina mena, ary tagny an'efitra nandritry ny efapôlo tôgna. 37Io foagna lay Mosesy zay nivôlagna tamin'ny vahoakan'Israely hoe: "Andriamanitra de hanangagna mpaminagny ho anaré eo amin'ny rahalahinaré, mpaminagny karaha anahy.'"38Izy lay lalahy zay tam-piangonagna tagny an'efitra niaraka tamin'lay anjely zay nivôlagna tamin'ny teny amin'tendrombohitr'i Sinay. Izy ilay lalahy niaraka tamin're razantsika; Izy ilay lalahy niaraka tamin're razantsika; izy ilay lalahy zay nandray ny teny velogna zaraigna ho antsika. 39Izy ilay lalahy zay tsy nankatoavin're razantsika; natôsikanjaré lavitra anjaré de nierina tagny Egypta zaré. 40Tamin'io fotoagna io nivôlagna tamin'i Arona zaré hoe: "Hanaovy Andriamanitra zahay hitarika anay, karaha an'i Mosesy, zay nitarika antsika hiboaka agny Egypta, tsy fantatsika zay nitranga taminanjy."41Ary nagnano aomby lahy kely zaré taminjany andro zagny ary nitôndra fagnatitra tamin'lay sampy, ary nifaly tamin'ny asan-tanagny zaré. 42Nitodika Andriamanitra ary namaila anjaré mbô ho fidairagna re kintagna agny an-dagnitra, karan'ny voasôratra tao amin'ny bokin'ny mpaminagny: "Anaré mô nanôlotra taminahy biby maty sy fagnatitra nandritrin'ny efapôlo tôgna tagny an'efitra, tragnon'ny Israely?43Nikenaré ny tabernakelin'i Moloka sy ny kitan'Andriamanitra Refana, sy iré sary zay atonaré hidairagna ananjy, ary Zaho hitondra anaré agny ankoatran'ny Babylona."44Re razantsika de nagnana tabernakelin'ny fijoroagna vavolombelogna tagny an'efitra, araka ny baikon'Andriamanitra kôfa nivôlagna tamin'i Mosesy Izy, zay tôkony nataony nitovy tamin'lay fomba aifa hitany. 45Io lay tragnolay zay nalain'iré razantsika, ary nindôsiny tagny amin'lay tany niaraka tamin'i Josoa, te agnatraihan're razantsika, re fanagnan'ny firenegna zay nandroahan'Andriamanitra ny tany zay niraisin-jaré ho fanagnanjaré manôkagna, Ilay tragnolay de nipaitraka tagny amin'ilay tany nandritry ny andron'i Davida, 46ary izy nahazo fankasitrahagna tao amin'ny fahitan'Andriamanitra ary nanontany raha hahita toairagna honaignana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.47Fô i Salomona no nagnamboatra ny tragno ho an'Andriamanitra. 48Na zagny aza, ny Avo indrindra de tsy nipaitraka tao amin'ny tragno vita tamin'ny tagnana, araka ny voalazan'ny mpaminagny hoe: 49"Ny lagnitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Tragno kara ino no afaka hamboarinô ho Anahy? Hoy ny Tompo, na toairagna kara ino no hitsaharako?" 50Tsy tagnako mô no nagnano re raha jiaby re?51Re ôlogna mafy hatoka sy tsy voafôra ao am-po sy tadiny, anaré de manohitra foagna ny Fagnahy Masigna; anaré de magnano kara zay nataon'ny razanaré. 52Zôvy tamin're razanaré no tsy nanenjika mpaminagny? Nivoninjaré ny mpaminagny zay niseho talôhan'ny fiavin'ilay Fahamarinagna, ary avahizo anaré de lasagna mpamadika sy mpamono ananjy koà, 53anaré vahoaka zay nandray ny lalàgna zay napaitrak're anjely, kanaifa tsy nitagnanaré zegny."54Ary kôfa naharegny re raha re ny mpikambana ao amin'ny filan-kevitra, tohigna ny fônjaré, ary nihidy vazagna zaré tamin'i Stefana. 55Fô izy, zay feno ny Fagnahy Masigna, nizaha tsara ny lagnitra ary nahita ny voninahitr'Andriamanitra, ary nahita an'i Jesosy nijoro te ankavanan'Andriamanitra. 56Stefana nivôlagna hoe: "Zahà, itako misôkatra ny Lagnitra, ary ny zanak'Ôlogna mijoro eo ankavanan'Andriamanitra."57Te amin'zagny de notapenan're mpikambagna ao amin'ny filan-kevitra ny tandigninjaré, ary nihafatra niaraka tamin'ny feo ambôny, nihazakazaka zaré nankagny aminanjy. 58Nitaritin-jaré ivailan'ny tanàgna izy ary nanomboka nitôra-bato ananjy zaré, ary re vavolombelogna de namaitraka ny akanjony te amin'ny tongotr'lay zaza lahy nantsôvigna hoe Saoly.59Kô nitôra-bato an'i Stefana igny zaré, nagnantso mafy ny Tompo izy ary nivôlagna hoe: "Tompo Jesosy, raiso ny fagnahiko." 60Nandohalika izy ary nagnantso tamin'ny feo mahery hoe: "Tompo, aza tagnana zô ota zô hanohairagna anjaré." Kôfa avy nivôlagna anjany izy de maty.

Chapter 8

1Nagneky ny fafataisagna i Saoly. Kay nanomboka tamin'io andro io ny fagninjaihagna maventy be hanohairagna ny fiangonana zay tao Jerosalema; ary iré mpino jiaby de niparaitaka nagnairagna iré faritry Jodia sy Samaria, ankoatra iré apostoly. 2Ré lalahy matahotra an'Andriamanitra de nandevigna an'i Stefana ary nagnano hira fisaonagna ananjy. 3Fô Saoly de nandratra tantairaka ny fiangonagna; nitety tragno izy ary nalaka iré lalahy sy iré viavy, ary nandaifa ananjy an-tragno maizigna.4Fô iré mpino zay nipaitraka de nandaiha nitory teny. 5Filipo de nirôrogna tagny amin'ny tanam-ben'ny Samaria ary nitory an'i Kristy taminjaré.6Kôfa naregny sy nahita iré famantaragna zay natôn'i Filipo ny vahoàka maro, de nifantoka tsara tamin'zay nivôlagniny zaré. 7Ré Fagnahy maloto de nivoàka tamin'iré maro zay nidirany, nihafatra mafy, ary maro tamin'iré malemy sy kilemaigna no nahivagna. 8Noho zagny de nisy fifaliàm-be tao amin'ilay tanàm-be.9Fô nisy lalahy raika antsôvigna hoe Simona tao amin'ny tanàm-be, zay nalaky no nidôla aody; maheka nahamagnamagnana iré vahoakan'ny Samaria izy, kôfa nagnambara fô izy de ôlogna manan-danja. 10Samaritana jiaby,manomboka amin'ny faran'ny hely, de nitandregny tsara ananjy; ary aozinjaré hoe: "Io lalahy io de lay fahifan'Andriamanitra zay antsôvigna hoe Maventy." 11Zaré de nitandregny ananjy, satrià izy de nahamagnamagnana ananjaré aifa nandritry ny fotoagna aila tamin'iré aodiny.12Fô kôfa nino an'i Filipo zaré noho izy nitory ny filazatsara mômba ny fanjakan'Andriamanitra sy ny agnaran'i Jesosy Kristy, de natô batisa zaré, na iré lalahy na iré viavy. 13Na i Simona aza de nino, ary tafaran'ny nagnanôvagna batisa ananjy de nidôko niaraka tamin'i Filipo foàgna izy. Kôfa nahita iré famantaragna sy asa maventy be zay naseho izy, de magnana.14Ary kôfa tandrignaisanaré apostoty ao Jerosalema fô nandray ny tenin'Andriamanitra Samaria, de nalaifan-jaré tagny aminjaré i Petera sy Jaona. 15Kôfa nirôrogna zaré, mbô mety handraisanjaré ny Fagnahy Masigna. 16Fô mandrapahatôngan'zagny fotoagna zagny, de mbôla tsisy nilatsahan'ny Fagnahy Masigna mihitsy zaré; fô vita vita batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy foàgna. 17Avy té i Petera sy Jaona de namaitraka ny tagnany teo aminjaré, ary de nandray ny Fagnahy Masigna zaré.18Ary kôfa Hitan'i Simona fô ny Fagnahy Masigna de natôlotra te an-tagnanjaré apostoly tamin'ny alala'ny famintrahan-tagnana, de namiàny vôla zaré. 19Aoziny hoe: "Amià anahy foàgna zagny, kay zay jiaby amitrahako tagnana de mety handray ny Fagnahy Masigna."20Fô Aozin'i Petera taminanjy hoe: "Ho levogna miaraka aminô ny vôlafotsinô, satrià anô nieritreritra ny hahazo ny fagnomiazan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Vôla. 21Anô de tsy managna anjara na ampahany amin'ny raha zagny, satrià ny fônao de tsy marigna amin'Andriamanitra. 22Noho zagny mibaibaha amin'ny faratsiagnanô, ary mivavaha amin'ny Tompo, sao mbô mety hamaila ny fagnirian'ny fônô Izy. 23Fô zaho mahita fa anô de voapoezignan'ny fahotagna anô."24Simona namaly ary nivôlagna hoe: "Mivavaha amin'ny Tompo ho anahy, mbô tsy hisy hitranga aminahy ré zay nivolagninô."25Kôfa nijoro vavolombelogna sy nagnambara ny tenin'ny Tompo zaré, de niherigna tagny Jerosalema i Petera sy Jaona, nitory ny filazantsara tamin'iré tanàgna maro ao Samaritana.26Ary nisy anjelin'ny Tompo nikoragna tamin'i Filipo sady nivôlagna hoe: "Mitsangàna ary mandihana miagnatsimon'ny lalagna mirôrogna avy agny Jerosalema mankagny Gaza." (Io lalagna io de agny an'efitra.) 27De nitsangagna izy ary nandaiha. Indro, nisy lalahy avy agny Etopia, tandapan'ny Kandasy, mpanjaka vavin'iré Etiopiana. Izy no niandaikitra ny hariagna jiaby. Tonga tagny Jerosalema izy mbô hidaira. 28Ary nôdy izy kay nipaitraka teo amin'ny kalesany, ary namaky ny tenin'Isaia mpaminagny.29Ary lay fagnahy nivôlagna tamin'i Filipo hoe: "Mandihana Ary aza miala lavitra an'io kalesy io." 30Kay niazakazaka nagnatogna ananjy izy, ary naregny ananjy namaky teny tao amin'Isaia mpaminagny, ary nivôlagna hoe: "Azonô mô i raha vakinô io?" 31Nivôlagna lay Etiopiana nagnano hoe: "Akôry ny ahaizako kô tsisy ôlo mitari-dalagna anahy?" Niangavy an'i Filipo izy mbô hagnatogna ny kalesa ary hipaitraka hiaraka aminanjy.32Ary ny andalan-tsoratra masigna zay nivakin'ilay Etiopiana de nagnano hoe: "Nindôsigna hivonigna karaha ny ondry izy, ary karaha ny zanak'ondry moà eo alôhan'ny mpagnety ananjy, noho zagny de tsy niloàm-bava izy. 33Fô tamin'ny fagnalam-baraka ananjy de nalàny taminanjy ny rariny. Zôvy no afaka hamaritra tantairaka iré taranany? Nohon'ny aignany nalàny teto an-tany."34Noho zagny de nagnontany an'lay tandapa i Filipo, nagnano hoe: "Mitalaho aminô zaho, zôvy no volagnin'io mpaminagny io, ny taignany foàgna, sa ôlon-kafa ?" 35Nanomboka nivôlagna i Filipo, ary nanomboka tamin'zagny sôratra masigna zagny no nitoriany ny filazantsara mômba an'i Jesosy taminanjy.36Kôfa nandaiha tagny an- dalagna zaré, de nagnatogna tagny amin'zay nisy rano zaré ary aozin'lay tandapa hoe: "Irô, misy rano akéto.Ino no manakagna anahy tsy atô batisa?" 37(Fagnamarihagna: Aozin'i Filipo hoe: "Kô mino amin'ny fônô anô, de afaka atô batisa." Ilay Etiopiana namaly hoe: "Mino zaho fô Jesosy Kristy no zanak'Andriamanitra.") 38Kay nasain'lay Etiopiana nadôka lay kalesa. Nirôrogna nankagny amin'ny rano zaré, i Filipo sy lay tantapa, ary natôn'i Filipo batisa izy.39Kôfa nivoàka ny rano zaré, de nindôsin'ny Fagnahin'ny Tompo i Filipo, kay tsy hitan'lay tandapa eky izy, fô nandaiha tam-pifaliagna tagny amin'ny lalany. 40Fô i Filipo de niseho tagny Azota ary nitety io faritra io izy, nitory ny filazantsara airakin'ny tanam-be jiaby mandrapahatôngany tagny Kaisaria.

Chapter 9

1Fô i Saoly, de mbôla nivôlagna fandrahôgnana foagna agny fô na hatramin'ny famonoagna manôhitra re mpianatry ny Tompo aza, nandaiha tagny amin'ny mpisorognabe 2ary nangataka taratasy taminjaré ho an're synagoga tao Damaskosy, kôfa mahita na zôvy na zôvy eo amin'ny Lalagny izy, na lalahy na viavy, de indôsiny hifatotra agny Jerosalema zaré.3Kô mbôla nandaiha izy, de zao no nitranga kôfa tônga tankilany Damaskosy izy, tampoka te de nisy hazavagna nangilangilatra magnodidigna ananjy avy agny an-dagnitra; 4ary lavo tamin'ny tany izy kay naregny feo nivôlagna taminanjy hoe: "Saoly, Saoly, nagnino anô no nagnenjika Anahy?"5Saoly namaly hoe: "Zôvy Anô, Tompo?" Aozin'ny Tompo: "Zaho no Jesosy zay injehinô, 6fô mitsangàna, midira an-tanàgna, ary hivolagnina aminô zay tsy maintsy ataonô." 7Ny lalahy zay niara-dià tamin'i Saoly de nijoro tsy nahavôlagna, naharegny ny feo, fô tsy nahita na izôvy na izôvy.8Nitsangana avy tamin'ny tany i Saoly, kôfa nanôkatra ny masony izy, de tsy afaka nahita na ino na ino izy; kai nitantanan-jaré tamin'ny tagnany izy ary nindôsinjaré tagny Damaskosy. 9Tsy nahita izy nandritry ny telo andro, ary tsy nihinagna izy no sady tsy nisotro.10Ary nisy mpianatra tao Damaskosy antsovigna hoe Ananiasy. Nivôlagna taminanjy tamin'ny fahitagna ny Tompo: "Ananiasy!" Aoziny: "Indro, tô zaho, Tompo." 11Nivôlagna taminanjy ny Tompo: "Mitsangàna, ary mandihana agny amin'ny lalagna zay antsôvigna hoe Mahitsy, ary kôfa andragnon'i Jodasy de mangataha amin'lay lalahy avy agny Tarsosy antsôvigna hoe Saoly, fô mivavaka izy. 12Aifa nahita tamin'ny fahitagna ny fihavin'ny ôlogna antsôvigna hoe Ananiasy izy ary hamaitraka ny tagnany aminanjy, kai mety hahita ndraika izy."13Fô namaly Ananiasy hoe: "Tompo, aifa naregny tamin'ny raha maro mômba io ôlogna io zaho, mikasika ny ratsy natôny tamin'ny ôlognanô masigna tao Jerosalema. 14Nanagna fahifagna tamin'ire lôhan'ny mpisorogna izy mbô hisambotra zay ôlo jiaby magnatso ny Anaragnanô akéto." 15Fô ny Tompo nivôlagna taminanjy hoe: "Mandihagna, fô izy de fitôvagna nifidiky, mbô hitôndra ny Agnarako alôhan'ny Jentilisa sy re mpanjaka ary ny zanak'Israely; 16fô asehoko ananjy hoe akôry ny fijaliàny noho ny amin'ny Agnarako."17Kai lasagna i Ananiasy, ary niditra tandragno. Namaitraka ny tagnany taminanjy, de nivôlagna izy hoe: "Rahalahy Saoly, ny Tompo Jesosy, zay niseho taminô tan-dalagna kôfa nandaiha atô anô, no nandaifa anahy tatô mbô mety hahiratanô ary ho feno ny Fagnahy Masigna." 18Te no ho eo de raha karaha ny kiran-dôko no nindahany avy tamin'ny mason'i Saoly, ary nahita izy; nitsangana izy ary natao batisa; 19ary nihinagna izy kai nahazo hery. Nipaitraka niaraka tamin'ire mpianatra tao Damaskosy nandritry ny andro maro izy.20Avy hatrany de nagnambara an'i Jesosy tamin'ny Synagoga izy, nivôlagna fô Izy no Zanak'Andriamanitra. 21Zay naregny jiaby de magnana ary nivôlagna hoe: "Tsy ôlogna io mô no namono re tagny Jerosalema zay nagnatso tamin'io agnarana io? Tônga akèto izy mbô halaka anjaré ifatôragna ho agny amin'ny mpisorognabe." 22Fô nanjary nahainahery i Saoly, ary nampahory ny Jiosy zay nonigna tao Damaskosy kai nagnaporofo fô Jesosy no Kristy.23Tafaran'ny andro maromaro, niara-nagnano ndrafitra mbô hamono ananjy re Jiosy. 24Fô lasa fantatr'i Saoly ny tetikanjaré. Ary nandigny ny vavahady andro aman'aligna mbô hamono ananjy zaré. 25Fô nalaka ananjy tandrohaligna re mpianany ary namela ananjy hirôrogna tamin'ny rindrigna, nandrôrogna ananjy tagnaty bazary.26Kôfa tônga te Jerosalema izy, de nagnandragna ny hagnatogna re mpianatra i Saoly, naifa natahotra ananjy daholo zaré, tsy nino fô mpianatra izy. 27Fô nalaka ananjy i Barnabasy ary nitôndra ananjy tamin'ire Apostoly, ary nivôlagna taminjaré izy hoe akôry no nahitan'i Saoly ny Tompo tagny an-dalagna sy ny nivolagnan'i Tompo taminanjy ary akory no nitorian'i Saoly am-pasahiagna tamin'ny Agnaran'i Jesosy tao Damaskosy.28Nitrôtra taminjaré izy kôfa niditra ary niboaka an'i Jerosalema. Nivôlagna am-pasahiagna tamin'ny Agnaran'i Jesosy Tompo izy 29ary niady hevitra niaraka taminjaré Helenista; naifa mbôla niaizaka ny hamogno ananjy foagna zaré. 30Kôfa fantan're rahalahy zegny, de nindôsinjaré nirôrogna tagny Kaisaria izy ary nalaifagny ho agny Tarsosy izy.31Ary avy te, ny fiangonagna nagnairagna an'i Jodia jiaby, Galilia, ary Samaria nanagna fiadanagna ary voaorigna; ary, nandaiha tamin-tahotra ny Tompo sy tamin'ny fampiononan'ny Fagnahy Masigna, kai nitômbo isa ny fiangonagna. 32De tônga zagny avahizo, kô nandaiha nagnairagna ny faritra jiaby Petera, de nandaiha nirôrogna tagny amin'iré mpino zay nipaitraka tao amin'ny tanagnan'i Lyda koà izy.33Nahita ôlogna antsovigna hoe Aenasy tao izy, zay aifa tam-pandriagna nandritra ny valo tôgno, satria nalemy izy. 34Petera nivôlagna taminanjy hoe: "Aenasy, mampahivagna anô Jesosy Kristy. Mitsangàna ary amboaro ny fandriagnanô, ary niaraka taminjany de nitsangagna izy. 35Fô zay nipaitraka jiaby tao Lyda sy tao Sarona de nahita ny lalahy kai nitodika tamin'ny Tompo zaré."36Ary nisy mpianatra raika antsovigna hoe Tabita tao Jopa, zay adika hoe: "Dorkasy." Nagnano asa soà baitsaka ioviavy io ary nagnano fagnampiagna feno asa fiantragna zay natôny ho an'ny mahantra. 37Tamin'ire andro re de narary izy ary maty; kôfa nagnasa ananjy zaré, de napaitranjaré tao amin'ny efitragno ambony izy.38Satria aifa nariny an'i Lyda i Jopa, ary naregny re mpianatra fô takô Petera, de nandaifa ôlogna roa tagny aminanjy zaré, niangavy ananjy: "Mbô tongava agny aminay tsisy hatak'andro." 39Nitsangagna Petera ary nandaiha niaraka taminjaré. Kôfa tônga izy, de nitôndra ananjy tao amin'ny efitra ambôny zaré, ary ny mpitondrataigna jiaby nitsangagna takilagny nitomoagny, nampiseho ananjy akanjo sy ny lamba zay natôn'ny Dorkasy tamin'izy niaraka taminjaré.40Nalaifan'i Petera tagny ivailan'ny efitra zaré jiaby, nandohalika, ary nivavaka; avy te, nitodika tamin'lay razagna, nivôlagna izy hoe: "Tabita, mitsangàna." De nanôkatra ny masony izy avy te, ary nahita an'i Petera izy de niarigna. 41Avy te nanôlo-tagnana ananjy Petera ary nampitsangagna ananjy; ary kôfa nagnantso re mpino sy re mpitondrataigna izy, de nasehony taminjaré ny fahavilômany. 42Lasa fantatra nagnairagna an'i Jopa jiaby zagny raha zagny, ary ôlogna maro no nino ny Tompo. 43Taminjany Petera de nipaitraka andro maromaro niaraka tamin'lay lalahy raika antsôvigna hoe Simona tao Jopa, zay mpandoko hoditra.

Chapter 10

1Ary nisy lalahy raika tamin'ny tanagnan'ny Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapitenin're antoko Miaramila Italiana. 2Lalahy mpivavaka izy, lay raika zay midaira an'Andriamanitra miaraka amin'ny ankohonany jiaby; nagnomia vola baitsaka an're zay tanatin'ny tsy fahampiagna izy, ary nivavaka mandrakariva tamin'Andriamanitra.3Nanodidigna ny tamin'ny laira fahasivy mandraigna te ho eo, nahita mazava tamin'ny fahitagna anjelin'Andriamanitra nagnatogna ananjy izy. Lay anjely nivôlagna taminanjy hoe: "A Kornelio!" 4Kornelio nibanjina lay anjely ary taigna natahotra kai nivôlagna hoe: "Fô ino tô, tompoko?" Lay anjely nivôlagna taminanjy hoe: "Re vavakanô sy re fagnomaizanô ho agny mahantra de tafakatra ho fanati-pahatsiarôvagna eo agnatraihan'Andriamanitra. 5Ary magnasà lalahy hankagny amin'ny tanàgnan'ny Jopa mbô halaka lay lalahy raika atao hoe Simona zay antsôvigna hoe Petera. 6Mipaitraka miaraka amin'ny mpandôko hoditra antsôvigna hoe Simona izy, zay agny amôron-dranomasigna ny tragnony."7Kôfa lasagna lay anjely zay nikoragna taminanjy, de nagnantso ny roa tamin'ny mpanompony tan-tragno i Kornelio, ary miaramila mpivavaka raika tamin'ire zay nanompo ananjy. 8Kornelio nivôlagna tamijaré zay raha jiaby nitranga ary nandaifa anjaré tagny Jopa.9Ary ny amaraigna nagnodidigna ny laira faha-enina teo, kô mbôla tagny an-dalagna zaré kai nagnatogna ny tanàgna, de niakatra tagny ambony tafon-tragno i Petera mbô hivavaka. 10Nanomboka nahay tihinagnana izy avy te kai nizaha raha ho anigna, kanaifa raha mbôla te am-pandrahoagna hanigna ny ôlogna, de nahita fahitagna izy, 11ary nahita ny lagnitra nisôkatra izy sy fitahirizana raika nirôrogna, kara lamba be mirôrogna atô an-tany, ampandrorôgnina amin'ny zôrony efatra. 12Tao no nisy karazam-biby manan-tongotra efatra sy raha zay mandady jiaby ambôn'ny tany, ary ny voron'ny lagnitra.13De nisy fe nivôlagna taminanjy hoe: "Mitsangàna, ry Petera, mamonoà ary mihignàna." 14Fô i Petera nivôlagna hoe: "Ahe, Tompo; fô mbôla tsy nihinagna raha zay voarara sy tsy madio mihitsy zaho." 15Saingy tônga taminanjy ampagnidroa ndraika lay feo hoe: "Zay nodiovin'Andriamanitra, de tsy antsôvigna hoe fady." 16Niseho in-telo zagny; ary avy te lay fitahirizagna de nierigna niakatra teo no ho eo tagny an-dagnitra.17Ary kôfa very hevitra momba ny dikan'lay fahitagna zay hitany i Petera, de indro, re lalahy zay nalaifan'i Kornelio nitsangagna talôhan'ny vavahady, avy te zaré de nagnontagny zay lalanjaré mankao an-tragno. 18De nagnantso zaré ary nagnontagny an'i Simona, natsôvigna koa hoe Petera, zay nidôka te.19Ko mbôla nieritreritra momba lay fahitana i Petera, de nivôlagna taminanjy ny Fagnahy hoe: "Indro, lalahy telo no mizaha anô. (Fagnamarihagna: Ny amin'ny dikan-teny talôha de hoe: "Lalahy ro no mizaha anô" na "misy lalahy sasan-tsasagny mizaha anô.") 20Mitsangàna ary mandrorôgna kai miaraha aminjaré. Aza misalasala miaraka aminjaré, satria Zaho no nandaifa anjaré. 21Ary Petera nirôrogna tagny amin'ire lalahy re kai nivôlagna hoe: "Zaho lay zahanaré. Ino no antony nahatongavanaré?"22Aozinjaré: "Ny kapiteny antsovigna hoe Kornelio, lalahy marigna ary ôlogna zay midaira an'Andriamanitra, ary tsara laza agny amin'ny firenegnan'ny Jiosy jiaby, zay nivôlagnin'anjely masign'Andriamanitra mbô halaka anô ho agny an-dragnony, noho zagny de afaka mitandregny ny hafatra avy aminô izy." 23De nagnasa anjaré hiditra sy hidôko hiaraka aminanjy Petera. Ny amaraignan'iny de nitsangana izy kai niaraka taminjaré, ary ny sanagny tamin're rahalahy avy agny Jopa de nagnaraka ananjy.24Ny andro magnaraka de nankao Kaisaria zare. Kornelio de nandigny anjaré; nantsôviny niaraka ny havany sy ny namany mariny.25Ary taminjany kôfa niditra Petera, nifankahita taminy i Kornelio ary niankôhotra teo an-tongony mbô hidaira ananjy. 26Fô Petera nagnampy ananjy, nivôlagna hoe: "Mitsangàna! Zaho koa de ôlogna foàgna."27Kô mbôla nikoragna niaraka taminanjy i Petera, de niditra izy ary nahita ôlogna maro be niara-niokogna. 28Aoziny taminjaré hoe: "Ny taignanaré mahay fô tsy ara-dalagna ho an'ny Jiosy ny miara-miasa na mamangy ôlogna avy amin'ny firenegna hafa. Fô Andriamanitra naneho taminahy fô tsy tôkony hagnantso ôlo-pady na tsy madio zaho. 29Zagny no antony nahatongavako tsisy fanakantsakanagna, kôfa nasainy Zaho. Kai magnontany anaré zaho hoe nanigno anaré no magnasa anahy."30Kornelio nivôlagna hoe: "Efatra andro mialohan'zao laira zao, de nivavaka tao an-tragnoko zaho tamin'ny laira fahasivy; ary nahita, lalahy raika nitsangana talôhako nagnano akanjo nangilagilatra. 31Aoziny hoe: 'A Kornelio, aifa regnin'Andriamanitra ny vavakanô ary re fagnomaizanô' ho an're mahantra de mampatsiaro an'Andriamanitra ny mômba anô. 32Noho zegny de magnasà ôlogna ho agny Jopa, ary antsôvy mankagny aminô lay lalahy atao hoe Simona zay antsôvigna hoe Petera. Mipaitraka an-tragnon'i Simona mpandon-koditra" antsôvigna hoe: Simona izy, zay agny amôron-dranomasigna.' (Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talôha de magnampy hoe: "Kôfa tônga Izy, de hikoragna aminô." ) 33Ary avy hatrany de nalaifako ho anô. Tsara fahatongavagna anô. Ary avaizo, antsika jiaby tônga aketo amason'Andriamanitra, mbô hitandregny re raha zay nivolagnin'ny Tompo anaré no volagnina. "(Fagnamarihagna: "Kôfa tôkony ho: "nivolagnin'ny Tompo no volagnina" no eo, de ny dikan-teny talôha de hoe: "nivolagnin'Andriamanitra no volagnina.")34Avy te de nanôkatra ny vavany Petera ary nivôlagna hoe: "Marigna tikoatra, fantako fô Andriamanitra de tsy miandagny na aminjôvy na aminjôvy. 35Fô, agny amin'ny firenena tsiraikiraiky na akaiza na akaiza no midaira sy magnano asa marigna de ikeny aby."36Fantatranaré lay hafatra zay nalaifany ho an'ny ôlon'Israely, kôfa nagnambara filazantsara mômba ny fiadanagna avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy izy, zay Tompon'ny raha jiaby. 37Ny taignanaré de mahay re raha niseho zay taigna nitranga tao amin'ny toairagna jiaby tagny Jodia, nanomboka tagny Galilia, tafaran'ny Batisa zay nivolagnin; i Jaona; 38re raha nitranga mikasika an'i Jesosin'ny Nazareta, ny fômba nagnosôron'Andriamanitra ananjy tamin'ny Fagnahy Masigna sy tamin'ny hery. Nandaiha nagnano soà Izy sady nampahivagna re zay voagaijan'ny devoly jiaby, satria Andriamanitra de niaraka taminanjy.39Isika de vavolombelon're raha vitan'i Jesosy jiaby, tagny amin'ny tanin'ny Jiosy sy tagny Jerosalema. Nivoninjaré Izy tamin'ny alalan'ny fagnantôgnana Ananjy tamin'ny kakazo, 40fô Andriamanitra nanangagna Ananjy tamin'ny andro fahatelo ary nagnano zay hahitagna Ananjy, 41tsy re ôlogna jiaby, fô re vavolombelogna zay voafidin'Andriamanitra mialôha-tamintsika zay nihinagna sy nisotro niaraka taminanjy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty.42Nandidy anay izy mbô hagnambara amin'ny ôlogna sy hijoro vavolombelogna, fô izy lay raika nifidin'Andriamanitra ho Mpitsaran'ny velogna sy ny maty. 43Ho Ananjy no hijoaran'ny mpaminagny jiaby vavolombelogna, mbô re zay mino ananjy no handray famelan-keloka amin'ny alalan'ny Agnarany.44Kô mbôla nivolagna zagny raha zagny i Petera, de nilatsaka taminjaré jiaby zay nitandregny ny hafany ny Fagnahy Masigna. 45Re ôlogna tao anatin'ny vôndron'ny mpino voafora-reo jiaby zay niaraka tamin'i Petera-de magnana, satria ny fagnomaizan'ny Fagnahy Masigna de nirotsaka ho an'ny Jentilisa koà.46Fô regninjaré re Jentilisa zay nivôlagna amin're fivolagnana hafa sy mankalaza an'Andriamanitra. De namaly Petera hoe: 47Misy mô ôlogna afaka mitagna rano mbô tsy hagnanovagna batisa anjaré, re ôlogna zay mandray ny Fagnahy Masigna karaha antsika koa? 48De nandidy anjaré mbô atao batisa amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangataka ananjy zaré mbô hipaitraka hiaraka aminjaré mandritry ny andro vitsivitsy.

Chapter 11

1Ary ré apostoly sy iré ralahy zay tagny Jodia naharegny fô iré jentilisa foàgna koà de nandray ny tenin'Andriamanitra. 2Kôfa niakatra tagny Jerosalema i Petera, iré zay tao amin'ny antokon'iré voafôra nanakiagna ananjy; 3aozinjaré hoe: "Anô nikambagna niaraka tamin'iré lalahy tsy voafôra sady nihinagna niaraka taminjaré."4Fô Petera nanomboka hagnazava ny raha-nitranga taminjaré tamin'ny antsipirihiny; aoziny hoe: 5"Nivavaka tagny amin'ny tanàgnan'ny Jopa zaho, ary nahitagna ny amin'ny fisian-javatra raika zay nirôrogna, karaha ny lamba maventy nahidigna avy agny an-dagnitra tamin'iré zôrony aifatra zaho. Nirôrogna taminahy také zagny. 6Nimbanjigna zagny zaho ary nisaintsaigna mômba zagny. Nahita iré biby manan-tongotra aifatry ny tany, iré biby dia, iré biby mandady, ary iré vôrogna agny amin'ny lagnitra zaho.7Avy te zaho de naregny fe nivôlagna taminahy hoe: "Mitsangàna, ry Petera; mamono ary momoàna." 8Azaho hoe: "Ahe, a Tompo; fô tsy mbôla nisy raha tsy masigna na maloto mitsy niditra tam-bavako tato." 9Fô lay feo namaly avy agny an-dagnitra ndraiky hoe: "Zay nambaran'Andriamanitra fô mady, aza atôno maloto." 10Niseho in-telo zagny, ary avy te de nalaigna niherigna niakatra tagny an-dagnitra draiky ny raha jiaby.11Indro, teo no eo de nisy telo lahy nitsangagna teo anolôan'ny tragno zay nisy anahy; nalaifa avy tagny Kaisaria nankaty amiko zaré. 12Ny Fagnahy de nandidy anahy hiaraka aminjaré, ary tsy tôkony hagnisy fizahan-tava aminjaré, ary tsy tôkony hagnisy fizahan-tava aminjaré zaho. Iré ralahy enina iré de nandaiha niaraka taminahy, ary nandaiha nankao an-tragnon'lay lalahy zahay. 13Izy nivôlagna taminay ny nahitany anjely raika nitsangagna tao an-tragnony ary nivôlagna hoe: "Magnàsà lalahy agny Jopa ary indôso miherigna i Simona zay antsôvigna hoe Petera. 14Izy de hilaza hafatra raika aminô zay havoavonjy anô - anô sy ny ankohonagnanô jiaby."15Kôfa vô nanomboka nivôlagna taminjaré zaho, ny Fagnahy Masigna de tônga taminjaré, karaha ny nirorôgnany taminay, tagny am- bôlôhany. 16Tsaroako ny tenin'ny Tompo, ny nivolagnany hoe: "Jaona nagnano batisa tamin'ny rano tokoàtra; fô anaré de mila hatô batisa ao amin'ny Fagnahy Masigna."17Koà raha Andriamanitra nagnomià anjaré ny fagnomaizagna mitovy amin'zay namiàny antsika tamintsika nino an'ny Tompo Jesosy Kristy, zôvy zaho, no ho afaka hanôhitra an'Andriamanitra?'' 18Kôfa regninjarè zagny raha zagny, tsy nivôlagna na ino na ino hindôsigna mamaly zaré, fô nidaira an'Andriamanitra ndraika zaré ary nivôlagna hoe: "Ary Andriamanitra nagnomià fibaibahagna ho fiainagna ho an'iré jentilisa koà."19Ary iré zay naparaitaka noho ny fagninjaihagna zay niatomboka tamin'ny fafataisan'i Stefana de nisaely lavitra tagny Foinika, Kyprosy, ary Antioka, fô zaré de nivôlagna ny hafatra mômba an'i Jesosy tamin'iré Jiosy raika foàgna. 20Fô ny sanagny taminjaré, iré lalahy avy agny Kyprosy sy Kyrena, de nandaiha tagny Antioka ary nikoragna tamin'iré Grika foàgna koà, nivôlagna taminjaré ny filazantsara mômba ny Tompo Jesosy. 21Ny tagnàn'ny Tompo de niaraka taminjaré; maro isa no nino ary nitodika tamin'ny Tompo.22Iré vôvô mômba anjaré de tônga tantadignin'ny fiangonana tao Jerosalema, ary zaré nagnàsa an'i Barnabasy hatrany Antioka. 23Kôfa tônga izy kay nahita ny fagnomaizan'Andriamanitra, de falifaly izy; ary izy nampahery anjaré mbô hipaitraka miaraka amin'ny Tompo amin'ny fônjaré jiaby. 24Satrià izy de lalahy tsara sady feno ny Fagnahy Masigna sy finoagna, ary ôlogna maro no niampy ho an'ny Tompo.25De nandaiha nankagny Tarsosy i Barnabasy mbô hizàha an'i Saoly. 26Kôfa hitany izy, de nindôsiny tagny Antioka. Ary nandritry ny herintôgno angarangidiny zaré de niara-niokogna niaraka tamin'ny fiangonagna ary nampianatra ôlogna maro. Iré mpianatra de nantsôvigna vôlohany hoe Kristiana takô Antioka.27Ary tamin'zagny andro zagny de nisy mpaminagny maromaro nirôrogna avy tagny Jerosalema nankagny Antioka. 28Raika taminjaré, i Agabo no agnantsôvagna ananjy, nitsangagna ary nitoroan'ny Fagnahy fô hisy silôgna be hitranga magnairagna izao tontolo zao. Nitranga zagny tamin'ny andron'i Klaodio.29Noho zagny, iré mpianatra, araka ny fahafahan'ny tsiraikiraiky aby, de nanapa- kevitra ny handaifa fagnapiagna ho an'iré rahalahy tagny Jodia. 30Nagnano zagny zaré; nandefa vôla ho an'iré lôhôlogna zaré tamin'i Barnabasy sy Saoly.

Chapter 12

1Ary tamin'zagny andro zagny Heroda mpanjaka nisambotra iré sanany zay an'ny fiangonagna mbô hahafahany mampijaly zaré. 2Nivoniny tamin'ny sabatra Jakoba ralahin'i Jaona.3Ary kôfa hitany fô nahafaly iré Jiosy zagny, de nagnano zay hisambôragna an'i Petera koà izy. Zagny de nandritry ny andron'ny môfo tsisy masirasira. 4Kôfa avy nisambôrigna izy, de natôny tam-ponja izy ary nanendry miaramila aifa-tôko hiambigna ananjy, nikasa hitôndra anazy eo amin'ny ôlogna afaran'ny Paska izy.5Noho zagny de nitagnany tao am-ponja Petera, fô nivavaka de naton'iré zay tam-piangonagna mafy kokoà tamin'Andriamanitra ho ananjy. 6Ny aligna alôhan'ny titondran'i Heroda ananjy hitsaraigny, Petera de nandry te agnivon'ny miaramila roa, voafatotra tamin'ny rôjo roa, kô mbôla nidôko niambigna ny fonja ny miandry talôhan'ny tamiagna.7Indro nisy anjelin'ny Tompo niseho Tampoka tankilany, ary nisy hazavagna namiratra tagnatin'ny efitry ny fonja. Namely an'i Petera te amin'ny ilany izy ary namôha ananjy ka nagnano hoe: "Mitsangàna malaky," ary iré rôjony niala tamin'ny tagnany. 8Ny anjely nivôlagna taminanjy hoe: "Magnatôva lamba ary atôvy ny kiraronô." De natôn'i Petera araka zagny. Ny anjely nivôlagna taminanjy hoe: ''Atôvo ny lambanô ivailany ary magnaraha anahy.''9De nagnaraka lay anjely Petera ary nivoaka. Tsy fantany fô iré naton'ny anjely de taigna izy. Nihevitra izy fô nahita fahitagna. 10Kôfa nandalo tamin'ny mpiambigna vôlôhany sy faharoa zaré,de tônga tamin'ny vavahady vy zay mitôndra mankagny amin'ny tanàgna; nisôkatra ho azy tamin-jaré zagny.Nivoaka zaré ary nirôrogna tamin'ny lalagna raika, ary lay anjely nandô ananjy avy hatrany.11Kôfa niherigna tamin'ny taignany i Petera nivôlagna izy hoe: "Avaizo de fantako marigna fô ny Tompo no nandaifa ny anjeliny ary nagnafaka anahy tamin'ny tagnan'i Heroda, sy tamin'ny raha jiaby zay dignaisan'ny Jiosy hiseho. 12Kôfa tônga saigna tamin-jany izy, de nankagny amin'ny tragnon'i Maria renin'i Jaona, antsôvigna koà hoe Marka, zay nisy ôlogna maro niangogna sy nivavaka.13Kôfa nandondogna te am-bavahady izy, nisy mpanompo vavy raika antsôvigna hoe Roda tônga namaly. 14Kôfa hainy ny feon'i Petera, tamin-kafaliagna de tsy nahavita nanôkatra tamiagna izy; fô nandaiha niazakazaka nankagny an-tragno izy, nitateriny fô Petera nijoro teo an-tamigna. 15De nivôlagna taminjare hoe: "Adala anô." Fô nagnizingizigna izy fô zagny no izy. Nivôlagna zaré hoe: "Ny Anjely zagny."16Fô Petera nanohy nandondogna, ary kôfa nisokafinjaré ny tamiagna, de nahita ananjy zaré ary magnana. 17Petera nagnetsika ny tagnany taminjaré mbô hangigna, ary nivolagniny taminjaré ny fomba nitondran'ny Tompo ananjy nivoàka ny fonja. Aozy hoe: "Tatero amin'i Jakoba sy iré ralahy zagny raha zagny.'' De niala izy ary nandaiha tamin'ny toairagna hafa.18Ary kôfa nazava ny andro, de tsy nisy fientanam-pô hely te amin'ny miaramila ny amin'zay hitranga tamin'i Petera. 19Kôfa avy nizaha ananjy i Heroda ary tsy nahita ananjy, de nagnadiady ny mpiandry izy ary nandidy aninjaré mbô hivonigna. De nirôrogna avy agny Jodia nankagny Kaisaria izy ary nipaitraka tagny.20Ary Heroda de vignitra mafy tamin'ny vahoakan'i Tyra sy Sidona. Niara-nankagny aminjaré. Nandresy lahatra an'i Blasto zaré, lay mpagnampin'ny mpanjaka, mbô hagnampy aninjaré. De nangataka fihavanagna zaré, satrià ny tanagnanjaré de mandray hanigna avy amin'ny mpanjakan'ny tanàgna. 21Tamin'ny andro voatôndro Heroda de nagnatô lamba lamban'ny mpanjaka ary nipaitraka té amin'ny seza fiandrianagna; nikabary taminjaré izy.22Niafatra ny vahoàka: ''Zagny de feon'andriamanitra, fô tsy an'ôlogna!'' 23Teo no eo de nisyanjelin'ny Tompo namely ananjy; satrià tsy nagnomià voninahitra an'Andriamanitra izy; nohanin'ny kankagna izy de maty.24Fô ny tenin'Andriamanitra nitômbo sy nahaimaro. 25Kôfa vitan'i Barnabasy sy Saoly ny iraka nagnasagna aninjaré, de niherigna avy tagny [Ny sanany amin'iré dika sôratra aifa aila mivôlagna hoe: "Zaré niherigna tagny Jerosalema"] Jerosalema zaré, taminjaré, zay nantsôvigna koà hoe Marka.

Chapter 13

1Ary takô amin'ny fiangonagna takô, Antioka, de nisy paminany sy papianatra maro takô.Zare de Barnabasy, Simona (zay antsôvigna hoe Nigera), Lisiosa avy amin'i Sirena, Manaena (lay ralahy zay niôlonono tamin'i Heroda panapaka), ary Saoly. 2Raha mbôla nidaira ny Tompo sy nifady hanigna zare, ny Fagnahy Masigna nivôlagna hoe: "Atokano ho Anahy i Barnabasy sy Saoly, mbô hagnano ny asa zay nagnatsôvako ananjy irè.'' 3Tavafaran'ny nifandianjare hanigna, sy nivavahany, ary namaitrahan-jaré tagnana tamin'ire, lalahy irè, zare de nalaifanjare.4Kay nagneky ny Fagnahy Masigna i Barnabasy sy Saoly kay nandaiha niditra nankagny Selosia; avy nivôlagna zare de nandaiha agnaty Samboho agny amin'ny nosin'ny Sipro. 5Kôfa takô amin'ilay tanagnan'ny Salamina zare, de nitory ny tenin'Andriamanitra takô amin'ny Synagogan'ire Jiosy zare. Ary nanagna an'i Jaona Marka koà zare mbô ho panampy ananjy irè.6Ary kôfa namakivaky ny nôsy raika jiaby mandaikagny Pafosy zare, de nahita mpagnano ody, zay paminany Jiosy sandoka, ary ny agnarany de Bara Jesosy. 7Mpagnano ody zay niara-niasa tamin'ire Governora, Serjio Paolosy, zay lalahy taigna mahay. Nisambôrin'i lalahy i Barnabasy sy Saoly, satrià tiaregny ny tenin'Andriamanitra izy. 8Fô Elimasy "mpagnano ody'' (zegny no nandikagna ny agnarany) nanôhitra azy irè; ary nihaizaka ny hagnodigna ny Governora hiala amin'ny finoagna izy.9Fô i Saoly, zay atsôvigna koa hoe Paoly, de feno ny Fagnahy Masigna, ary nandinika ananjy tsara. 10Ary nivôlagna hoe: "Aô ry zanaky Devoly, anô de feno karazam-pitaka sy faharatsiagna jiaby. Fahavalon'zay marigna jiaby anô. Tsy hidôko ny hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo mihitsy anô, sa tsy zegny?11Fô indro avahizo, ny tagnan'ny Tompo aminô, kai ho tonga jamba anô. Ary tsy hahita ny masoandro alôha anô." Te no eo de nilatsaka tamin'i Elimasy ny fanjavôgnana sy fahizignana; nanomboka nivezivezy ary nangataka tamin'ôlogna izy mbô hitantana ananjy aminy tagnana. 12Kôfa avy nahita zay raha niseho ny Governora, de nino izy, satria magnana tamin'ny fampianaragna mômba ny Tompo izy.13Ary Paoly sy namany de lasagna niantsambo avy agny Pafo de nankagny amin'ny Perga agny Pafilia, fô Jaona ndaika nandao anjaré ary nierigna tagny Jerosalema. 14Paoly sy re namany de nandaiha avy tagny Perga ary nankagny Antiokan'i Pisidia. Ary tao de nandaiha nankagny amin'ny synagoga tamin'ny andron'ny Sabata zaré ary nipaitraka. 15Tafaran'ny famakiagna ny lalàgna sy ny mpaminagny, de nandaifa hafatra tagny amjaré ny mpitariky ny Synagoga nivôlagna hoe: "Ry rahalahy, kô magnana hafatra fampaherezagna ho an'ny ôlogna aketo anaré, de volagno zegny."16Kai nitsangagna Paoly ary nagnano fihetsika tamin'ny tagnany, nivôlagna hoe: "Ry ôlon'Israely ary anaré zay magnomia voninahitra an'Andriamanitra, mitandrignaisa. 17Ny Andriamanitry ny ôlon'Israely de nisafidy ny raintsika ary nampitômbo isa ny ôlogna kôfa nipaitraka tao amin'ny tanin'ny Egypta, ary tamin'ny fanandratagna ny sandriny no nitarihany anjaré hivoaka tao. 18Ary nandritry ny efapôlo tôgna te ho eo no nandifairagny taminjaré tagny an'efitra. (Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talôha de mivaky karanjô: "Nandritry ny efapôlo tôgna eo ho eo de niahy anjaré tagny an'efitra izy.")19Ary kôfa avy nandrava firenegna fito tagny amin'ny tany kanana izy, de namiany ny vahoakantsika ny taninjaré mbô ho lova. 20Zagny raha jiaby niseho zagny de aifa tamin'ny faha dimampôlo sy efa-jato tôgna. Tafaranjany raha jiaby zagny, Andriamanitra nanomia mpitsara anjaré mandra-piavin'i Samoela mpaminagny.21De nangataka mpanjaka ny ôlogna avy te, ary Andriamanitra nanomia anjaré an'i Saoly zanaka lahin'i KIsa, lalahy zay avy amin'ny fokon'i Benjamina mbô ho mpanjaka mandritry ny efopôlo tôgna. 22Ary avy te Andriamanitra nagnala ananjy tamin'ny fanjakany, kai nanandratra an'i Davida mbô ho mpanjakan-jaré. Fô zagny no nivolagnin'Andriamanitra mômba an'i Davida hoe: "Aifa nahita an'i Davida zanak'i Jesea Zaho mbô ho ôlon'ny foko, zay hagnano zay raha jiaby tiako hataony."23Fô avy amin'ny taranak'io lalahy io no hitondran'Andriamanitra mpanavotra ho an'Israely, de i Jesosy, araka zay aifa nampagnatinainy atô. 24Nanomboka niseho zagny, talôhan'ny nahatongavan'i Jesosy, Jaona nagnambara vôlôhany tamin'ny vahoakan'Israely jiaby mômba ny batisan'ny fibebahagna. 25Satria Jaona aifa nahavita ny asany, de aoziny: "Zôvy no eritreretinaré anahy? Tsy zaho ilay Izy. Fô tandrignaiso, hisy raika ho avy afarako, ary ny kiraron'ny tongony de tsy hahamendrika anahy ny hamaha ananjy.26Ry rahalahy, zanaka avy amin'ny taranak'i Abrahama, ary zay ôlo-jiaby midaira an'Andriamanitra aminare, ho antsika no nandifasagna zagny hafatra momban'ny famonjena zagny. 27Fô re zay mipaitraka agny Jerosalema, sy ny mpitondran-jaré, de tsy nahafantatra Ananjy, kai tantairan-jaré ny voalazan'ny mpaminagny zay vakigna isan-tsabata ny amin'ny fagnamilôhagna ananjy.28Na de tsy mahita antony tsara hamonoagna ananjy aza zaré, de nangataka tamin'i Pilaty foagna mbô hamono Ananjy. 29Kôfa tantairan-jaré ny raha jiaby zay vôsôratra mômba Ananjy, de narôron-jaré tamin'ny kakazo Izy ary nampandreny tam-pasagna.30Fô Andriamanitra ndraika nampitsangagna Ananjy tamin'ny maty. 31Ary hitan-jaré zay niara-niaka taminy avy tagny Galilia mankagny Jerosalema Izy nandritriny ny andro maromaro. Ary avahizo de re ôlogna re no vavolombelony ho an'ny ôlogna.32Noho zagny zahay nivôlagna aminaré ny filazantsara zay nampanantainain'Andriamanitra tamin'ny raintsika zay aifa tantairany ho antsika, 33zanan-jaré, tamin'ny nananganan'i Jesosy. Arak'zay aifa voasôratra ao amin'ny Salamo faharoa hoe: 'Zanako anô, igniany de ho tônga Rainô Zaho.' 34Ny antony nananganagna Ananjy tamin'ny maty de ny mbô tsy hahasimba mandrakizay ny vatany, Andriamanitra nivôlagna karanjô: 'Hamiako anaré ny fitahiagna masigna sy azo antoka nampanantaignaina an'i Davida.'35Zagny koa no nahatônga ananjy nivôlagna tao amin'ny salamo hafa hoe: "Tsy hamela lay Masigna hahita ny lo Anô." 36Satria kôfa nagnatantairaka re fanirian'Andriamanitra ho an'ny taranany i Davida de resin-tory izy, kai nampandregna niaraka tamin're rainy izy ary ny vatany niharan'ny fahalôvagna. 37Fô izy zay natsangan'Andriamanitra de tsy niharan'ny faharavagna.38Ôka ho hainaré zagny, ry rahalahy, fô tamin'ny alalan'io lalahy io no nagnambaragna taminaré ny famailagna ny fahotagna. 39Amin'ny alalany ôlogna tsiraikiraiky zay mino de voamarigna amin'ny raha jiaby zay mety tsy ho voamarign'io lalàgnan'i Mosesy io.40Kai mitandraima mbô tsy hiseho aminaré zay raha nivolagnin'ny mpaminagny hoe: 41"Indro, anaré mpagnano tsinotsinogna, de ho magnana ary ho levogna. Fô Zaho magnano asa amin'ny andronare, Asa zay tsy ninoanaré mihitsy, na de misy ôlogna magnambara zagny aminaré aza."42Kôfa lasagna i Barnabasy sy i Paoly, de niangavy ananjy ny ôlogna mbô hitorianjaré re teny re foagna amin'ny Sabata magnaraka. 43Kôfa tapitra ny fivoriagna tao amin'ny Synagoga, de maro tamin're Jiosy sy re proselita mahafatra-po no nagnaraka an'i Paoly sy Barnabasy, zay nivôlagna taminjaré sy nampirisika ananjy mbô hanohy ao amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.44Tamin'ny Sabata magnaraka, de saiky ny tanàgna manontolo no niaraka niangona mbô haregny ny tenin'ny Tompo. 45Kôfa nahita re vahoaka ny Jiosy, de feno fialôgnana zaré ary nivôlagna nanôhitra re raha zay nivolagnin'i Paoly sy nagneso ananjy.46Fô Paoly sy Barnabasy nivôlagna am-pasahiagna hoe: "Ilaina ho voalaza aminaré mialôha ny tenin'Andriamanitra. Fô kôfa manôsika zagny anaré ary mihevitra ny taignanaré ho tsy mendrika ny fiainagna mandrakizay, de indro, hierigna agny amin'ny Jentilisa zahay. 47Araka zay aifa nandidian'ny Tompo anay, magnano hoe: "Napaitrako mbô ho fahazavagnan'ny Jentilisa anaré, zagny no tôkony hitondranaré famonjegna ho an're zay agny amin'ny fara-vazan-tany."48Kôfa nandre zagny ny Jentilisa, de faly sy nidaira ny tenin'ny Tompo. Ary maro re zay voatendry ho amin'ny finoagna ny fiainagna mandrakizay no nino. 49Ary ny tenin'ny Tompo de niely eraky ny faritra manontolo.50Fô ny Jiosy ndraika de namporisika re viavy mahafatra-po sy manan-danja, sy re lalahy mpitarika tan-tanàgna. Nitairaka fagninjaihagna ho an'i Paoly sy Barnabasy zagny ary nanipy anjaré ho agny ivailan'ny sisin-tanin'ny tanàgna. 51Fô Paoly sy Barnabasy nanintsagna ny vôvoka tamin'ny tongonjaré mbô hanohairagna anjaré. Ary avy take zaré de nankagny amin'ny tanàgnan'i Ikoniama. 52Ary ny mpianatra de feno hafaliagna sy ny Fagnahy Masigna.

Chapter 14

1Ary tamin'zagny tao Ikonioma Paoly sy Barnabasy niara-niditra takô amin'ny Synagogan'ny jiosy kay nikoragna tam-pahavitrihagna ary ny vahoàka marine Jiosy sy Grika de nino. 2Fô ny Jiosy zay tsy nagneky ndraiky de nagnakorontagna ny fisaignan'ny Jentilisa kay nahatônga zaré hanôhitra iré ralahy.3Kay nipaitraka aila také zaré, nivôlagna am-pasahiagna niaraka tamin'ny herin'ny Tompo, tamin'ny nagnomiazany porofo mahakasika ny hafatra ny amin'ny fahasoavany. Izy nagnano njany tamin'ny alalan'ny famantaragna sy fahagagagna zay natô tamin'ny alalan'ny tagnan'i Paoly sy Barnabasy. 4Saingy ny ankamaroàn'ny tanàgna de nizarazara: ny ôlogna sanany niandagny niaraka tamin'iré Jiosy, ary ny sanany niaraka tamin'iré Apostoly.5Kôfa nagnandragna nandresy lahatra ny mpitarika zaré ny jentilisa sy ny Jiosy mbô hamono sy hitôra-bato an'i Paoly sy Barnabasy, 6de nanjary nivony zaré ary nilaifa nalaky tagny an-tanàgnan'ny Lykaonia, Lystra sy Derbe, ary iré tanàgna magnodidigna ny faritra, 7kay tagny zaré no nagnambara ny filazantsara.8Nisy lalahy raika nipaitraka tao Lystra, malemy ny hongony, avy tan-kibon-dreniny, zay aifa tsy nandaiha hatramin'zay. 9Io lalahy io naregny an'i Paoly nivôlagna. Paoly nagnatrika ananjy tsara teo amin'ny masony kay nahita fô managna finoàgna ny hahivagna izy. 10Ke aoizy tamin'ny feo mahery hoe: "Mitsagàna amin'ny tongonô." Noho avy te lay lalahy de nisôtisôty ary nandaiha tamin'ny manodidigna.11Kôfa nahita zay natôn'i Paoly iré vahoàka maro be de nanandratra ny feony zaré, nivôlagna tamin'ny fitenin'ny Lykonia hoe: "Nirôrogna avy agny an-dagnitra ho amintsika amin'ny endrik'ôlogna iré andriamanitra.' 12Nagnatso an'i Barabasy zaré hoe "Jopitera," ary Paoly ''Merkory", satrià izy no mpandaha-teny. 13Ny mpisoron'i Jopitera, zay ny eglizy de té ivailan'ny tagnàna, de nitôndra aomby sy fehilôha vy té am-bavahady; izy sy ny vahoàka marobe nikasa hagnomià sorogna.14Fô ny Apostoly, Barnabasy sy Paoly, kôfa naregny zagny de nandrôta ny lambany zaré kay nandaiha nalaky agnaty vahoàka, nitaraigna sy nivôlagna hoe: 15"A lalahy, nagnino anaré no magnano zô raha zô? Zahay koà de ôlombelogna mitovy fatsapagna aminaré koà. Zay mitôndra ny filazantsara ho anaré, mbô hitodihanaré hiàla amin'zô zava-poagna zô ho agny amin'Andriamanitra velogna, zay nagnano ny lagnitra, sy ny tany, ary ny ranomasigna sy ny raha jiaby zay ao aminy. 16Tamin'ny andro talôha, Izy de mamaila ny firenegna jiaby nandaiha tamin'ny lalany manôkagna aby.17Kanaifa, Izy de tsy namaila ny taignany tsy hisy vavolombelogna, taminjagny de nagnano ny tsara Izy ary nagnomià anaré ranon'ôragna avy agny an-dagnitra sy vanim-potoagna mahavokatra, kay hameno ny fônaré amin'ny hanigna sy firavoravoàgna.'' 18Fô na de taminjagny teny zagny aza, Paoly sy Barnabasy de tsy nitsahatra nitagna ny vahoàka be tsy hagnano sorogna ho anjaré.19Fô ny Jiosy sanany avy ao Antiokia sy Ikonioma de tônga ary nandresy lahatra ny vahoàka. Zaré nitôra-bato an'i Paoly sy nitarika ananjy hivoàka ny tanàgna, ary nieritreritra fô maty izy. 20Ary kô mbôla nijoro nagnodidigna ananjy te iré mpianatra, de nitsangagna izy ary niditra ny tanàgna. Ny amaraigna igny,de nandaiha nankagny Derbe niaraka tamin'i Barnabasy izy.21Avy te zaré nagnambara ny filazantsara tao amin'zagny tanàgna zagny kay nahazo mpianatra maro, tagny Ikonioma, sy tagny Antiokia. 22Zaré de nanohy nampahery ny fagnahin'iré mpianatra ary namporisika ananjy mbô hanohy ao amin'ny finoagna, no sady nilaza fô: "Tsy maintsy amin'ny fahoriagna maro be no hidirantsika ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."23Kôfa nanendry lôhôlogna ho anjaré té amin'isam-piangonagna zaré, sy nivavaka tamin'ny fifadian-kanigna, de natôlonjaré ho an'ny Tompo zagny, zay ninoanjaré. 24De nandalo tamin'ny Pisidia zaré kay tônga tao Panfilia. 25Kôfa nagnambara ny teny tao Perga zaré, de nandaiha nirôrogna tagny Atalia. 26Avy tagny zaré no niantsambo nirôrogna ho agny Antiokia, zay nahazoanjaré ny fahasoavan'Andriamanitra ho an'ny asa zay vitanjaré avaizo.27Kôfa tônga tao Antioka zaré ary nagnokogna niaraka ny fiangonana, de nitatitra ny raha jiaby zay vitan'Andriamanitra taminjaré, sy hoe akôry no namoahany tamiagnan'ny finoagna ho an'iré Jentilisa. 28De nidôko fotoagna aila niaraka tamin'iré mpianatra zaré.

Chapter 15

1Ny ôlogna sanany de nirôrogna avy tagny Jodia hatrany Antiokia ary nampianatra re rahalahy, kai nivôlagna hoe: "Kô tsy vita famoragna araka ny fomba fatôn'i Mosesy anaré, de tsy ho voavonjy anaré." 2Zagny de nitondra an'i Paoly sy Barnabasy tagnaty fifandiragna sy ady hevitra taminjaré. Noho zagny i Paoly sy i Barnabasy de voatendry niaraka tamin'ny sanagny hafa taminjaré hiakatra agny Jerosalema mbô hitrôtra amin're apostoly sy re lôhôlogna mômba zagny fagnontaniagna zagny.3Noho zagny zaré, nalaifan'ny fiangonagna, de namakivaky an'i Foinika sy Samaria ary nagnambara ny fiovam-pon're Jentilisa. Zaré de nitôndra hafaliagna maventy be tamin're rahalahy jiaby. 4Kôfa tônga tao Jerosalema zaré, de niraisin'ny fiangonagna sy re apostoly ary re lôhôlogna, kai nitatitra re raha jiaby zay natôn'Andriamanitra taminjaré.5Naifa ny ôlogna sanagny zay nino, zay tao amin'ny tarik'iré Fariseo, de nitsangagna sy nivôlagna hoe: "Ilaigna ny magnano ny famoragna anjaré sy ny mibeko anjaré hitandrigna ny lalàgnan'i Mosesy." 6Noho zagny re apostoly sy re lôhôlogna de niara-nivory mbô handinika zagny zava-misy zagny.7Tafaran'ny ady hevitra be, nitsangagna i Petera kai nivôlagna taminjaré hoe: "A ralahy, fantanaré fô aifa talôha aila be Andriamanitra no nagnano safidy te aminaré, mbô ho amin'ny alalan'ny vavako de tôkony haregny ny teny filazantsara iré jentilisa, ary hino. 8Andriamanitra, zay mahay ny fo, vavolombelogna aminjaré, kai nanomia ny Fagnahy Masigna anjaré, karaha ny natôny tamintsika; 9ary tsy nagnano fagnavakavahagna tamintsika sy taminjaré Izy, nagnadio ny fonjaré tamin'ny finoagna.10Ary noho zagny nagnino anaré no mitsapa an'Andriamanitra, hoe tôkony hamaitrahanaré zioga agnam-bôzon're mpianatra naifa na ny razantsika na antsika aza tsy mahavita milanja? 11Naifa mino antsika fô ho voavonjy amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Tompo Jesosy, karanjaré koa."12Ny ôlogna jiaby de nitagna ny fahangignana nandritry ny nitandrignesanjaré an'i Barnabasy sy Paoly mitatitra re famantaragna sy re fahagagana niasan'Andriamanitra zay niasa tamin're Jentilisa tamin'ny alalanjaré.13Kôfa avy nidôko nikoragna zare, de namaly Jakoba, nivôlagna hoe: "A rahalahy, tandrigneso zaho. 14I Simeona de aifa nagnambara ny fômba nagnampian'Andriamanitra tam-pahasoavagna vôlôhany re Jentilisa mbô halaka aminjaré ôlogna ho an'ny Agnarany.15Re tenin're mpaminagny de mômba zagny, araka ny voasôratra hoe: 16'Tafaran'iré raha iré de hierigna zaho, ary hanangagna ndraiky ny tragno lain'i Davida zaho, zay aifa lavo; hanamboatra sy hamerigna amin'ny laoniny ndraiky re faharavany zaho, 17mbô hitady ny Tompo re ôlogna sisa tavela, ary agnatin'zagny re Jentilisa jiaby zay antsôvigna amin'ny Agnarako.' 18Zô no nivolagnin'ny Tompo, re zay aifa nagnano re raha re zay aifa fantatra tamin're razambe talôha. (Fagnamarihagna: re dikan-teny sanagny talôha de mivaky karanjo: "Zô no nivolanin'i Tompo, amin're zay fantatra tamin'ny andro talôha ny asany jiaby.)19Noho zagny, ny heviky de, tsy tôkony hagnakorontagna re avy amin'ny Jentilisa zay nitodika tamin'Andriamanitra antsika. 20Fô antsika de hanôratra ho anjaré fô tsy maintsy miala amin'ny fahalotoan're sampy zaré, amin'ny fahavetavetagna, ary amin'ny hainan're biby voakenda, sy amin're rà zaré. 21Satria Mosesy de aifa voambara tamin'ny isan-tanàgna tamin'ny andro talôha ary izy de vakigna amin're synagoga isaky ny Sabata."22De kara tsara tamin're apostoly sy re lôhôlogna, niaraka tamin'ny fiangonagna jiaby, ny hifidy an'i Joda zay antsôvigna hoe Barsabasy, sy i Silasy, zay mpitarika ny fiangonagna, sy ny handaifa anjaré agny Antokia miaraka amin'i Paoly sy Barnabasy. 23Zaré de nanôratra tô: "Hatrany amin're apostoly sy re lôhôlogna, re rahalahinaré, hatramin're rahalahy avy agny Jentily agny Antikia, Siria, ary Kilikia: Arahaba!24Isika de aifa naharegny fô re ôlogna sanagny de niala tamintsika, tsisy beko avy amintsika, ary nagnelingeligna anaré tamin're fampianarana zay nampikorontagna ny fagnahinaré. 25Zô no izy, zahay jiaby de aifa nagneky ny hifidy re lalahy sy handaifa anjaré agny aminaré miaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay, 26lalahy zay nagnano ny aignany tsy ho zavatra ho an'ny Agnaran'i Jesosy Kristy Tompotsika.27Noho zagny zahay de magnasa an'i Joda sy i Silasy, zay hivôlagna aminaré io raha io foagna amin'ny teninjaré manônkagna. 28Fô kara tsara amin'ny Fagnahy Masigna sy aminay, ny tsy hampitôndra anaré entagna maventy noho re raha taigna ilaigna re: 29mbô hialanaré amin're raha nataonaré ho fanatitra amin're sampy, rà, re raha voakendra, ary avy amin'ny fahavetavetagna. Kô mitandrigna ny taignanaré amin'zagny anaré, de ho tsara aminaré zagny. Veloma."30Noho zagny zaré, kôfa voaroàka, de nirôrogna tagny Antiokia; avy te zaré de namory ny vahoaka niaraka, ary nanôlotra lay taratasy zaré. 31Kôfa voavakinjaré zagny, de nifaly zaré noho ny fampaherezagna. 32Joda sy Silasy, mpaminagny koa, de nankahery re rahalahy tmin'ny teny maro sy nampahery anjaré.33Kôfa avy nidôko fotoagna vitsivitsy tao zaré, de nalaifa am-piadanagna avy amin're rahalahy ho agny amin're zay nandaifa anjaré zaré. 34[Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talôha be de magnala ny andininy faha34 (zahà ny Asa 15; 40): "Naifa mbôla satrin'i Silasy ny hidôko také."] 35Fô i Paoly sy Barnabasy de nidôko tagny Antiokia niaraka tamin're maro hafa, zay nampianarinjaré sy nanambaranjaré ny tenin'ny Tompo.36Tafaran'ny andro vitsy Paoly de nivôlagna tamin'i Barnabasy hoe: "Andao tsika hierigna avaizo ary hamangy re rahalahy agny amin'ny tanàgna jiaby zay nagnambarantsika ny tenin'ny Tompo, ary hahita hoe karakôry zaré." 37I Barnabasy de te hitôndra koa an'i Jaona zay natsôvigna hoe Marka hiaraka aminjaré. 38Naifa i Paoly nihevitra fô tsy tsara ny hitondragna an'i Marka, zay nandao anjaré tagny Panfilia sy tsy nanohy niara-niasa taminjaré niasa.39Avy te de nisy fifandiragna mafy, kai nisaraka zaré, ary i Barnabasy nitôndra an'i Marka niaraka taminanjy ary nandaiha sambo nankagny Sipra. 40Fô i Paoly nifidy an'i Silasy ary nandaiha, tafaran'ny nagnomiazanjaré rahalahy ananjy andraikitra ho an'ny fahasoavan'ny Tompo. 41Avy te izy de nandaiha namakivaky an'i Syria sy i Kilikia, kai nampatanjaka re fiangonagna.

Chapter 16

1Tônga tagny Derbe sy Lystra koa Paoly, ary indro, te lay mpianatra raika antsôvigna hoe Timoty, zanaka lahin'ny viavy Jiosy zay nino; Grika ny babany. 2Izy de tsara laza tamin're rahalahiny zay tagny Lystra ary Ikonioma. 3Tian'i Paoly hiara-dia aminanjy izy; de nalainy izy ary noforany noho re Jiosy zay te amin're toairagna re, satria fantanjaré jiaby fô Grika ny babany.4Kô nandaiha namakivaky re tanàgna maro zaré, de nanôlotra toromarika ho an're mpino mbô hagneky ny fampianaragna, zay nisoratan'ny Apostoly sy ny lôhôlogna tao Jerosalema. 5Kai nahai-natanjaka tamin'ny finoagna ny fiangonagna ary nitômbo isa isan'andro.6Nandaiha namakivaky ny faritry ny Frygia sy Galatia Paoly sy ny namany, satria niraran'ny Fagnahy Masigna zaré hagnambara ny teny agny amin'ny faritr'i Asia. 7Kôfa niditra nariny an'i Mysia, de te-handaiha ho agny Bitynia zaré, naifa nisakanan'ny Fagnahin'i Jesosy zaré. 8Kai nandalo tamin'i Mysia, de nandaiha nirôrogna tagny amin'ny tanàgna an'i Troasy zaré.9Nahita fahitagna i Paoly tan-droaligna: lalahy raika Makedoniana nitsangagna také, nagnatso ananjy ary nivôlagna hoe: "Avia atô Makedonia ary vonjeo zahay." 10Kôfa avy nahita ny fahitagna i Paoly, de niainga hihazo an'i Makedonia avy hatrany zahay, nahatsapa fô Andriamanitra no nagnantso anay mbô hitory ny filazantsara aminjaré.11Niantsambo noho zagny avy agny Troasy, de nizotra mahitsy ho agny Samatrakia zahay, ary nihazo an'i Neapolia zahay ny andro magnaraka. 12Avy te de nandaiha nankagny Filipy zahay, zay isan'ny tanàgna Makedonia, zay tanàgna taigna manan-danja ao amin'ny faritra sy ny zana-tany Romanina, ary nidôko taminjany tanàgna zagny nandritry ny andro maro zahay. 13Tamin'ny andron'ny Sabata de nandaiha tagny ivailan'ny vavahady akilan'ny renirano zahay, zay nieritreretinay fô misy toairam-pivavahagna. Nipaitraka zahay ary nikoragna tamin're viavy zay niara-tônga te.14Nisy viavy raika atao hoe Lydia, mpivaro-damba violé avy agny amin'ny tanàgnan'i Tyatira, zay nanompo an'Andriamanitra, nitandregny anay. Nanôkatra ny fony ny Tompo hitandrina ny teny zay nivolagnin'i Paoly. 15Kôfa vita batisa izy sy ny ankohonany, de namporisika anay izy, nivôlagna hoe: "Kô nitsara anahy ho mahatoky amin'ny Tompo anaré, de midira ary mipitraha an-dragno." Ary nandresy lahatra anay izy.16Ary taminjagny, kô nandaiha nankagny amin'ny toeram-pivavahagna zahay, de nisy tôvovavy raika zay managna fagnahin'ny sikidy nitrôtra taminay. Nitôndra tômbony maro ho an'ny tompony tamin'ny alalan'ny sikidy izy. 17Nagnaraka anay sy Paoly avy tafara io viavy io ary nagnatso mafy, nagnano hoe: "Re lalahy re de mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra. Magnambara aminaré ny lalam-pamonjiagna zaré." 18Nagnano zegny nandritry ny andro maro izy. Fô i Paoly de nanomboka sosotra taminanjy kai nitodika ary nivôlagna tamin'ny fagnahy hoe: "Mandidy anô amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy zaho mbô hiboaka aminanjy." Ary niboaka avy hatrany zagny.19Kôfa hitan're tompony fô lasagna lay fagnantenagna ny amin'ny tômbony ho anjaré, de nisambôrinjaré i Paoly sy Silasy ary nitarihin-jaré ho agny abazary talohan're manam-pahefagna. 20Kôfa nitôndra anjaré talôhan're mpitsara zaré, de nivôlagna hoe: "Magnakorontagna ny tanàgnatsika reto lalahy reto. Jisoy zaré. 21Magnambara fomba zay tsy ara-dalàgna ho an'ny Romanina ny magneky na mampihatra ananjy zaré."22De nitsangana ny vahoaka nanohitra an'i Paoly sy Silasy; nagnala ny lambanjaré ny mpitsara ary nandidy anjaré mbô hivilezigna amin'ny kakazo. 23Kôfa nivilezinjaré mafy zaré, de nalaifanjaré agny an-dragnomaizigna ary nandidy ny mpiandry tragnomaizigna mbô hiambigna mafy anjaré. 24Kôfa naharay zagny didy zagny ny mpiambigna, de nalaifagny tagny amin'ny farany laligna amin'ny fonja zaré ary nifatôrany te amin'ny kakazo ny tongon-jaré.25Nagnodidigna ny misasak'aligna de nivavaka i Paoly sy Silasy ary nihira fidairagna an'Andriamanitra, ary re gadra hafa de nitandregny anjaré. 26Tampoka te de nisy hôrohôrotany maventy be, kai nampihozongozona ny fototry ny fonja; ary nisôkatra avy hatrany ny varavaragna jiaby, ary nivaha ny fatôran'ny ôlogna jiaby.27Taitra tmin'ny tôromaso ny mpiandry ny tragnomaizina ary nahita re varavaran'ny fonja nisôkatra; namoaka ny sabany izy kai saika hamono ny taignany, satria nieritreretiny fô nilaifa re gadra. 28Fô nagnatso tamin'ny feo mafy Paoly, nagnano hoe: "Aza mandratra ny taignanô, satria akato aby zahay jiaby."29Nagnatso jiro lay mpiandry tragnomaizigna ary niditra nalaky tagnatiny, tôragna hely noho ny tahotra, niankôhotra talôhan'i Paoly sy Silasy, 30ary nitôndra anjaré niboaka sy nivôlagna hoe: "Tompoko, ino no tsy maintsy hataoko mbô ho voavonjy?" 31Aozinjaré hoe: "Minoa an'i Tompo Jesosy, de ho voavonjy anô, anô sy ny ankohonanô."32Nitory ny tenin'ny Tompo taminanjy zaré, niaraka tamin'ny ôlogna jiaby tan-dragnony. 33Avy te de nandray anjaré tamin'ny aligna tamin'igny laira igny foagna lay mpiandry fonja, ary nanasa ny ferinjaré, ary zaré jiaby tragno raika de natao batisa te no ho eo. 34Avy te de nidôsiny niakatra tan-dragnony i Paoly sy Silasy ary nandrôso hanigna talôhanjaré izy, de nifaly tikoatra izy niaraka tamin're zay tan-dragnony, fô aifa nino an'Andriamanitra izy.35Ary kôfa mandraigna ny andro, de nandaifa teny tamin're mpiambina re mpitsara, nivôlagna hoe: "Ambilay handaiha re lalahy re." 36Nitatitra zagny teny zagny tamin'i Paoly lay mpiambigna, nivôlagna hoe: "Nampitôndra teny taminahy re mpitsara mbô hamaila anaré handaiha: noho zagny avaizo miboaha, ary mandihagna am-piadanagna."37Fô nivôlagna taminjaré Paoly hoe: "Namely anay ampahibemaso tsy nisy fitsaragna zaré, na de mizàka ny zom-pirenegna Romanina aza zahay-ary nalaifanjaré tam-pigadrana. Avaizo de tianjaré ho alaifa an-tsôkosôko mô zahay? Ahe! Aoka ny taignanjaré no ho tônga aketo sy hitarika anay hiboaka." 38Nitatitra zagny teny zagny tamin'ny mpitsara ny mpiambigna, ary kô naregninjaré fô Romanina i Paoly sy Silasy, de natahotra zaré. 39Tônga sy nialatsigny taminjaré ny mpitsara ary nitôndra anjaré niboaka, nangataka anjaré mbô hiala ao an-tanàgna.40Kay niala tan-dragnomaizina i Paoly sy Silasy ary nankagny an-dragnon'i Lydia. Kôfa nahita re rahalahy i Paoly sy Silasy de nampahery anjaré ary avy te de niala tan-tanàgna zaré.

Chapter 17

1Ary kôfa nandalo iré tanàgnan'ny Anfipolia sy Apolonia zaré, de tônga tamin'ny tanàgnan'i Tesalonika zaré, zay nisy Synagogan'ny jiosy. 2Paoly, araka ny fômba fatôny de nankagny aminjaré, ary niady hevitra niaraka taminjaré avy amin'ny Sôratra Masigna nandritra ny andro Sabata telo.3Nisokafiny ny Sôratra Masigna ary nazavainy fô nilain'i Kristy ny nijaly sy hitsangagna indraika amin'ny maty. Aoziny hoe: "Io Jesosy zay nivôlagniko taminaré io no Kristy." 4Resy lahatra ny sanagny tamin're Jiosy ary nagnaraka an'i Paoly sy Silasy, anisanjany re mpivavaka Grika maro an'isa, ary tsy vitsy ny viavy mpitarika.5Fô re Jiosy tsy mpino nindôsim-pialôgnana de nalaka re ôlogna ratsy fagnahy avy agny abazary, nagnonkogna niaraka ny vahoaka, ary nampitabataba ny tanàgna. Nanafika ny tragnon'i Jasona, te hitôndra an'i Paoly sy Silasy hiala ny vahoaka zaré. 6Fô kôfa tsy hitanjaré, de nitarihinjaré i Jasona sy ny rahalahy hafa sanagny ho eo alôhan'ny manam-pahaifagnan'ny tanàgna, nitomoagny, "Reto lalahy reto zay nampitimbadika zao tontolo zao reto de tônga akéto koà. 7Ireto lalahy zay nampandrosoan'i Jasona reto de manôhitra ny didin'i Kaisara; mivôlagna zaré fô misy mpanjaka hafa de i Jesosy."8Voahelingeligna ny vahoaka sy ny manam-pahefagna te amin'ny tanàgna kôfa naregny zagny raha zagny. 9Fô kôfa avy te ny manam-pahefagna nampagnano sy nampadoà vôla an'i Jasona sy ny ambiny mbô ho antoka, avy te zaré namaila anjaré handaiha.10Nalaifan're rahalahy tagny Beria ny align'igny i Paoly sy Silasy. Kôfa tônga tagny zaré, de niditra tamin'ny synagogan'ny Jiosy. 11Ary re ôlogna re de mihaja kokoa noho zaré agny Tesalonika, fô nandray ny tenim-pahavognônan'ny saigna jiaby zaré, nandinika ny Sôratra Masigna isan'andro mbô hahita kô taigna zagny tikoatra regny raha regny. 12Noho zegny de maro taminjaré no nino, tao agnatin'zagny ny viavy Grika manan-kaja sanagny sy lalahy maro.13Fô re Jiosin'ny Tesalonika kôfa naregny fô i Paoly de nagnambara ny tenin'Andriamanitra tao Beria koa, de nandaiha tagny zaré ary nampitabataba sy nampikorontagna re vahoaka. 14Ary avy hatrany, re rahalahy nandaifa an'i Paoly ho agny an-dranomasina, fô i Silasy sy i Timoty nidôko také. 15Re zay nitarika an'i Paoly nitôndra ananjy hatrany amin'ny tanàgnan'i Atena. Kô namaila an'i Paoly te zaré, de nandray torolàlagna avy aminanjy ho an'i Silasy sy Timoty mbô hankagny aminanjy malaky araka zay azo atô.16Ary kô nandigny anjaré tagny Atena i Paoly, de tônga de vignitra tagnatiny ny fagnahiny kô vô nahita ny tanàgna feno sampy. 17Kai niady hevitra tao amin'ny synagoga niaraka tamin're Jiosy sy re hafa zay nanompo an'Andriamanitra izy, karaha zagny koa ny tao amin'ny toairan'ny raharaham-barotra niaraka taminjaré také.18Fô ny sanagny tamin're filozofa Epikoreana sy Stoika koà nitrôtra taminanjy. Ny sagnany nivôlagna hoe: "Ino no tian'io be resaka io hivôlagnina?" Ny hafa nivôlagna hoe: "Karaha ilay raika zay magnatso ny ôlogna hagnaraka re andriamanitra hafahafa izy, satria nitory an'i Jesosy sy ny fitsanganagna amin'ny maty izy.19Nalaka an'i Paoly zaré ary nitôndra ananjy tamin'ny Areopago, nivôlagna hoe: "Afaka mamantatra zagny fampianaragna vôvô zay nivôlagninô zagny mô zahay? 20Fô mitôndra raha hafahafa tsampôla regnin'ny tadinignay anô. Noho zegny, te hahay ny dikan'zagny raha zagny zahay." 21(Ary ny Atenina jiaby sy ny vahigny nipaitraka de tsy nandagny ny fotoagnany kô tsy tamin'ny filazagna na fitainoagna momban'ny zava-bôvô.)22Kai nitsangagna tagnivon'ny Areopago i Paoly ary nivôlagna hoe: "Anaré lalahin'i Ateniana, hitako fô taigna relijiozy amin'ny fômba jiaby anaré." 23Fô kô nandala zaho ary nandinika ny tanjon'ny fômba fanompoam-pivavahanaré, de nahita alitara zaho misy itô sôratra itô hoe: "Ho an'Andriamanitra tsy fantatra." Ino noho zagny no hivavahanaré amin'ny tsy fahafantaragna, zagny ni volagniko aminaré.24Ny Andriamanitra zay nagnano izao tontolo izao sy raha jiaby aminanjy, satria Tompon'ny lagnitra sy ny tany Izy, tsy mipaitraka agnaty Eglizy vôaorigna tamin'ny tagnana. 25Na Izy tsy notompoigna tamin'ny tagnan'ôlogna, toy ny nila raha izy, satria izy taignany no magnomia fiainagna ny ôlogna sy ny fôfon'aigna ary ny raha hafa jiaby.26Avy amin'ny ôlogna raika no nagnanovany ny firenegna jiaby ho an'ny ôlogna mbô hiaigna ambônin'ny tany, namaritra ny vanim-potoananjaré sy nanendry ny toaira-ponainana ary ny andro iainagn're, 27kai mbô tôkony hizaha an'Andriamanitra zaré, raha kô mety hahatratra sy hahita Ananjy zaré. Kanaifa mbôla tsy lavitra antsika tsiraikiraiky aby Izy.28Satria antsika de mivelogna sy mihetsika ary managna ny maha-izy antsika, karaha ny nivôlagnin'ny mpagnano tononkalonaré manôkagna hoe: "Fô taranany koà antsika." 29Noho zagny, satrià zanak'Andriamanitra antsika, antsika de tsy tôkony hieritretra fô ny hatsaran'ny fômbany de mitovy amin'ny vôlamaina, na vôlafotsy,na sary-vôngagna zay nifôrôgnina avy amin'ny asa tàgnana sy aingam-panahin'ôlombelogna.30Noho zagny de nohadinoan'Andriamanitra ny fotoan'ny tsy fahalalagna, fô avaizo mandidy ny ôlogna jiaby na aiza na aiza hibaibaka Izy. 31Zagny no izy satria namaitraka andro izy hoe oviagna no hitsara an'izao tontolo izao amin'ny fahamarinagna amin'ny alalan'ny ôlogna zay nifidiny. Nagnomia porofon'io lalahy io tamin'ny ôlogna tsiraikiraiky tamin'ny alalan'ny fananganagna Ananjy tamin'ny maty Andriamanitra.32Ary kôfa naregny ny fitsanganagna amin'ny maty ny ôlon'i Atena, de nagneso an'i Paoly ny sanagny; fô ny sanagny nivôlagna hoe: "Hitandregny anô mikasika raha zagny zahay." 33Tafaran'zay, nandao anjaré i Paoly. 34Fô ny sanagny tamin'ny ôlogna nagnaraka ananjy ary nino, tao agnatinjany i Dionysio Aeropagita, viavy antsôvigna hoe Damary, ary ny sanagny niaraka taminjaré.

Chapter 18

1Ary tafaran're raha re Paoly de niala tao Atena ary nankagny Korinto. 2Nitrôtra tamin'ny Jiosy natsôvigna hoe Akoila tao izy, tera-tany Ponto, zay vao tônga avy tagny Italia niaraka tamin'i Prisila vadiny, satria i Klaodio nandidy ny Jiosy jiaby hiala tao Roma. Paoly nankeo aminjaré, 3ary satria varotra mitovy foagna no hiasany, de niara-nipaitraka taminjaré izy ary niasa, fô ny magnano lay no asanjaré.4Kai niady hevitra tao amin'ny synagoga isaky ny Sabata i Paoly. 5Nandresy lahatra re Jiosy sy Grika izy. Fô kôfa nirôrogna avy tagny Makedonia i Silasy sy Timoty, de nitiren'ny Fagnahy hagnambara amin're Jiosy fô Jesosy no Kristy i Paoly. 6Kôfa nanohitra sy nagnesoeso ananjy re Jiosy, de nagnofaofa ny lambany tagny aminjaré i Paoly kai nagnano hoe: "Ho amin'ny lôhanaré anie ny rànaré; tsy manan-tsigny zaho. Fô manomboka zaho de ho agny amin'ny Jentilisa zaho."7De niala te izy avy te ary nandaiha nankagny an-dragnon'i Titosy Josto, lalahy zay manompo an'Andriamanitra. Ny tragnony de akilan'ny synagoga. 8Krispo, mpitarika ny synagoga, nino ny Tompo, niaraka tamin're jiaby zay nipaitraka tamin'ny tragnony; ary maro tamin'ire Korintiana zay naregny mômba zagny no nino sy natô batisa.9Ny Tompo nivôlagna tamin'i Paoly tamin'ny fahitagna ny aligna hoe: "Aza matahotra, ary aza mangina fô mivolagna. 10Fô Zaho momba anô, ary tsisy ôlogna hahazo hagnano ratsy anô, fô managna ôlogna maro amin'ito tanàgna tô Zaho." 11Nipaitraka tao herintôgna sy enim-bôlagna i Paoly ary nampianatra ny tenin'Andriamanitra taminjaré.12Fô kôfa lasana governoran'ny Akaia i Galio, de niara-nitsangagna re Jiosy hanôhitra an'i Paoly kay nitôndra ananjy tanatraihan'ny toairam-pitsarana; 13nivôlagna zaré hoe: "Io lalahy io de mandresy lahatra ny vahoaka mbô hanompo an'Andriamanitra zay mifanôhitra amin'ny lalàgna."14Ary kô nandaiha hivôlagna Paoly, de nivolagna tamin'i Jiosy Galio hoe: "Anaré Jiosy, kô resaka raha ratsy na heloka zagny, de mbôla azo eritreretina ny fifampiraharahagna aminaré." 15Fô hatrizay nisian'reo fagnontaniagna mômba re teny sy agnarana ary lalàgnanaré manôkagna re, alaminonaré zegny. Zaho tsy magniry ny ho mpitsara zegny raharaha zegny."16Galio nagnala anjaré hiala tamin'ny sezam-pitsaragna. 17Kai nisambotra an'i ostena zare jiaby, ny mpanapaka ny synagoga, ary namely ananjy te anoloan'ny toairam-pitsaragna. Fô Galio tsy niraharaha zay natônjaré.18Paoly, kôfa avy nipaitraka tao nandritry ny andro maromaro kokoa, de namaila re rahalahy kai niondragna an-tsambo ho agny Syria niaraka tamin'i Prisila sy Akoila. Talôhan'ny niaingany tamin'ny seragnan-tsambo de nitapahany tao Kenkrea ny voron-dôhany noho lay voady zay natôny. 19Kôfa tônga tagny Efesosy zaré, de navailan'i Paoly te i Prisila sy Akoila, fô izy taignany niditra tao amin'ny synagoga kai niady hevitra tamin'ire Jiosy.20Kôfa nangataka an'i Paoly mbô hidôka aila aila zaré, de nandà izy. 21Fô nandao ananjaré izy, nivôlagna hoe: "Mbôla hierigna atô zaho kô sitrapon'Andriamanitra zagny." Dia niondragna an-tsambo niala tao Efesosy izy avy te.22Kôfa niantsogna tao Kaisaria i Paoly, de niakatra izy kai niarahaba ny fiangonan'ny Jerosalema ary nirôrogna nankany Antiokia avy také. 23Kôfa avy nipaitraka laira maromaro tao izy, de niainga i Paoly kai nitety re faritr'i Galatia sy Frygia ary nankahery ny mpianatra jiaby.24Ary nisy Jiosy raika nantsôvigna hoe Apolosy, tairaka tagny Aleksandria, tônga tao Efesosy. Izy de nahay nandaha-teny sady nahalala tsara ny Sôratra Masigna. 25Apolosy de nampianarigna tamin'ny fampianaran'ny Tompo. Mahafatra-po amin'ny fagnahy, izy nivôlagna sy nampianatra marigna re raha mikasika an'i Jesosy, kanaifa ny batisan'i Jaona foagna no fantany. 26Apolosy nanomboka nivôlagna am-pasahiagna tamin'ny synagoga. Fô kôfa naregny ananjy i Prisila sy Akoila, de nalaka ananjy ho agny amin'ny sisiny ary nagnazava taminanjy marigna kokoa ny lalan'Andriamanitra.27Kôfa nagniry mbô hamakivaky an'i Akaia izy, de nampahery ananjy re rahalahy ary nanôratra ho an're mpianatra tao Akaia mbô handray ananjy. Kôfa tônga izy, de nagnampy baitsaka iré zay nino tamin'ny fahasoavagna. 28Apolosy nanôhitra mafy re Jiosy tamin'ny ady hevitra ampahibemaso, nampiseho tamin'ny alalan'ny Sôratra Masigna fô Jesosy no Kristy.

Chapter 19

1Ary ra mbôla tagny Korinty i Apolosy, de nandalo tamin'ny firenegna ambôny i Paoly ary tônga tao amin'ny tanàgnan'ny Efesosy, ary nahita mpianatra sanany tao. 2Aozin'i Paoly taminjaré hoe: "Nahazo ny Fagnahy Masigna mô anaré kôfa nino?" Aozinjaré taminanjy hoe: "Ahe, mbôla tsy naregny momba ny Fagnahy Masigna aby zaihay3Paoly nivôlagna hoe: "Tamin'ino ary zegny no nagnanôvagna Batisa anare ?'' Namaly zare hoe: "Tamin'ny Batisan'i Jaona.'' 4Kay namaly Paoly hoe: "Jaona magnano Batisa amin'ny batisan'ny fibaibahagna. Nivôlagna tamin'ny vahoàka izy fô tôkony hino lay raika zay ho tônga avafara zare, zegny de, akô amin'i Jesosy.''5Kôa naregny zegny ny ôlo, de natô Batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy zare. 6Avake kôfa namaitraka ny tagnany taminjare i Paoly, de nilatsaka taminjare ny Fagnahy Masigna ary nivôlagna tamin'ny fivolagnana hafa sy naminagny zare. 7Tamin'ny ro ambiny fôlo te izy jiaby.8Niditra takô amin'ny Synagoga i Paoly ary nivôlagna am-pasahiàgna nandritran'ny telo volagna , nandresy lahatra sy nampagneky azy irè ny momba ny fanjakan'Andriamanitra. 9Fô kôfa mafy fo sy tsy nagneky irè Jiosy sanagny, de nanomboka nivôlagna ratsy ny Lalagna tagnatraihan'ny vahoàka zare. Kay nialan' i Paoly zare ary nindôsiny irè pianatra, nandresy lahatra azy irè isan'andro takô amin'ny efitragno fampianaragnan'ny Tiraniana. 10Nitohy nandritran'ny ro tôgna zegny, kay zay jiaby nipaitraka takô Asia de naregny ny tenin'ny Tompo, ary irè Jiosy sy irè Grika.11Andriamanitra nagnano asa magaga tamin'ny alala'ny tagnan'i Paoly, 12kay na de irè mosoara sy romoron'akanjo zay nikasika ananjy aza de natô tamin'ny marary kay sitragna ny aretinjare ary nivoàka avy taminnjare irè fagnahy ratsy.13Fô nisy Jiosy pagnala fagnahy ratsy nandaiha tan-toeragna. Nagnantso ny agnaran'ny Tompo Jesosy zare mbô hanagnanjare hery hanohairagna ny fagnahy ratsy jiaby nivôlagna zare hoe: ''Amin'ny alalan'i Jesosy zay nivolagnin'i Paoly, mandidy anô za mbô hivoàka.'' 14Ny mpisôrognabe Jiosy mitôndra ny agnarany hoe Skeva ary nanagna zanaka fito lahy no nagnano zegny.15Nisy fagnahy ratsy namaly azy irè hoe: ''Fantako Jesosy, ary fantako i Paoly; fô izôvy anare?'' 16Ny fagnahy ratsy takô amin'ilay lalahy de nantsambotra tamin'ire pagnala devoly ary niala takô amin'ilay tragno sy nibolaka ary naratra. 17Lasa fantan'ôlo jiaby zegny, sy irè Jentilisa, zay nipaitraka tagny Efesosy. Lasa natahotra mafy zare, kay ny agnaran'ny Tompo Jesosy de namiàm-boninahitra.18Ary maro tamin'iré mpino no nagnatogna sy nibaibaka ary nagneky irè raha ratsy vitanjare. 19Maro irè nilalô ody no niara-nitôndra ny bokin-jare sy nagnoro zegny tagnatraihan'ny tsiraikaraika. Kôfa nagnisa ny tômbim-bidin'iregny zare, de farantsa vôlafotsy dimy aligna zegny. 20Kay niparaitaka mafy tamin'ny fomba matanjaka ny tenin'ny Tompo.21Ary kôfa navita ny asa fanompoagnany tagny Efesosy i Paoly, de nanapa-kevitra tamin'ny fagnahy izy mbô hiàla an'i Makedonia sy Akaia tan-dalagna mandaiha akagny Jerosalema, ahozy izy: "Kôfa avy agny za, de tsy maintsy mandaiha agny Roma ihany koà.'' 22Paoly nandaiha ro tamin'ire mpagnampy ananjy ho agny? Makedonia, i Timoty sy Erasto, zay nagnampy azy. Fô izy taignany nijanogna fotoagna fôhy tagny Asia.23Tamin'izegny fotoagna zegny tagny Efesosy de nisy fagnelingelegnana be mikasika ny Lalàgna. 24Fô nisy mpanefy vôlafotsy raika antsôvigna hoe Demetrio, zay nagnano ny sary sikotra vôlafotsin'i Diana, nampiditra vôla be ho an'iré mpagnano asa tagnana. 25Kay nahôrony niaraka irè lalahy miandraikitra an'io asa io ary nivôlagna hoe: "Tompoko, fantanô fô amin'itô raha itô de mahazo vôla be zaihay.26Hitanô sy regninô zegny, tsy tagny Efesosy ihany, fô saiky magnairagna an'i Asia jiaby, io Paoly io de nandresy lahatra sy natôgna ôlo maro. Milaza izy fô tsisy andriamanitra vita tamin'ny tagnana. 27Fô ny loza de tsy hoe ny varotsika ihany no tsy hilaigna, fô ny tempolin'andriamanim-bavy maventy Diana ihany koà de azo heverigna ho tsisy dikany. De mety ho very voninahitra iry avaké, izy zay tompoin'ny Asia jiaby sy izô Tontolo izô.''28Kôfa naregny zegny izy, de feno havigniragna mafy azare kay nihafatra mafy, nagnano hoe: "Maventy i Diana an'i Efesosy.'' 29Feno fifanjevoagna takô amin'ny tanàgna jiaby, ary niara-nifanaraitsaka ho akô amin'ny tragno fagnanôvagna fampiseoagna an- tsaihatra ny vahoàka. Vôsambojare irè mpiara-dià tamin'i Paoly, Gaio sy Aristarko, zay avy agny Makedonia.30Te hiditra takô amin'ire vahoàka maro i Paoly, fô nisakanan'ire pianatra izy. 31Ary ihany koà, ny sanagny tamin'ire manam-pahifagna tamin'ny faritr'i Asia zay namany de nagnondaifa mesazy nangakataka azy mafy tsy hiditra akô amin'ny tragno fagnanôvagna fampiseoagna an-tsaihatra. 32Ôlo sanagny no nihiàka raha raika, ary ny an'ny sanagny hafa koà, satrià takô agnaty fifanjevoagna ny vahoàka. Ny ankamaroànjare aza tsy mahay akory hoe nagnino zare no niara-tônga.33Ny sanagny tamin'ire vahoàka no nampafantatra an'i Aleksandra, zay natôsik'ire vahoàka ho agny alôha, kay nagnano fihetsika tamin'ny tagnany i Aleksandra, te hagnamia fagnazavagna ho an'ire zay nivory. 34Fô kôfa nafantatra zare fô Jiosy izy, de nihiàka mafy tamin'ny feo raika izy jiaby tagnatin'ny ro laira te, nagno hoe: ''Maventy ny Artemisin'ny Efesiana.''35Kôfa nampangigna ny vahoàka ny ben'ny tanàgna, de nivôlagna izy hoe: ''Anô ôlon'i Efesosy, ôlo izôvy no také kay tsy nafantatra fô ny tanàgnan'ny Efesiana de mpiambigna ny tempolin'ny Diana maventy sy ny sary zay nilatsaka avy agny an- dagnitra? 36Ary hita avaké fô tsy azo lavigna irè raha irè, de tôkony hangigna anare kay tsy hagnano na ino na ino tsy am-pihivairagna. 37Fô nidôsinare amin'ny fitsaragna irè lalahy irè zay sady tsy mandrôba fiangonagna no tsy mpiteny ratsy ny andriamanim-bavintsika.38Noho zegny, ra managna fiampangagna manôhitra ny tsiraikaraika i Demetrio sy irè Jentilisa mpagnano asa tagnana zay miaraka aminy, de misôkatra ire fitsaragna ary misy solontaigna akô. Avilay zare hifampiampanga. 39Fô ra mitady ra momba ny olagna hafa anare, de tôkony ho hatsangana amin'ny fivoriagna ara- dalàgna zegny. 40Fô indrindra antsika de misy vitragna miraviravy ho voàmpanga mikasika an'i andron'ny tabataba io. Tsisy antony zegny fikorontagnana zegny, ary tsy afaka hagnazava zegny antsika.'' 41Kôfa nivôlagna zegny izy, de niravany ny fivoriagna.

Chapter 20

1Kôfa tapitra ny tabataba, de namory irè pianatra i Paoly ary nampahery ananjy, avake nagnano veloma izy ary lasagna mbô handaiha ho agny Makedonia. 2Kôfa nandaiha tamin'ire faritra irè izy sy nagnano teny fankahiraizagna maro azy irè, de tônga tagny Gresia izy. 3Kôfa avy nidôka telo volagna takô izy, nisy fikia- ratsy niforôn'ire Jiosy hanohairagna ananjy ra izy handaiha agnaty sambo ho agny Syria igny, kay nanapa-kevitra ny hierigna ho agny Makedonia izy.4Nagnaraka ananjy hatragny Asia lavitra agny i Sopatera zanaka lalahin'i Pyro avy agny Beria; Aristarko sy Sekondo, samby avy amin'ire mpigno Tesalonika; Gayo avy agny Derbe; Tymoty, ary Tykiko sy Trofimo avy agny Asia. 5Fô irè lalahy irè aifa nialôha anay ary nandigny anay tagny Troasy. 6Niondragna an-tsambo niala takô Filipy zahay tafaran'ny andro fihinanagna môfo tsy masigna, ary tagnatin'ny dimy andro de tônga tagny aminjaré tagny Troasy zaihay. Ary nipaitraka tô zahay nandritra ny fito andro.7Tamin'ny andro voalôhan'ny herinandro, kôfa niangogna niaraka mbô hanapaka ny môfo zaihay, de niraisaka tamin'ire mpino i Paoly. Izy de nikasa handaiha ny amaraignaniny, kay tsy nanohy raisaka hatramin'ny sasakaligna izy. 8Nisy jiro maro takô amin'ny efitragno ambôny zay natôngavanay niaraka.9Tamin'ny lafenaitra hely no nipaitraka itô tôvolahy nagnantso hoe Eotika, zay tafalatsaka tagnaty tôromaso laligna. Ra niraisaka naharitra kokoà i Paoly, i tôvolahy i, de mbôla nandry, tafalatsaka avy amin'ny etazy fatelo ary nony nafegnina izy de hita fô aifa maty. 10Fô i Paoly nirôrogna, nagnainjagna ny taignany taminy, ary nitôlogna ananjy.'' Aza malahelo koà, fô velogna izy.''11De niakatra ndraika izy avake nanapaka ny môfo sy nihinagna. Kôfa avy niraisaka aila taminjare hatramin'ny mandraigna be izy, de nandaiha. 12Nitôndra lay tôvolahy aifa velogna niherigna zare ary taigna faly taigna faly.13Antsika mihitsy no nandaiha talôhan'i Paoly tamin'ny sambo ary nanday sambo ho agny Aso, fô agny no kasainay handraisagna an'i Paoly. Zegny no fagniriany izy taignany ho atô, satrià nagniry handaiha an-tanety izy. 14Kôfa nitrôtra taminay tagny Aso izy, de nindôsinay tamin'ny sambo izy kay nakagny Mitylena.15Avake nandaiha sambo avy te zaihay ary tônga takô amin'ny fagnitsin'i Kio ny amaraigna. Ny andro magnaraka de niantsogna takô amin'ny nosin'ny Samo zaihay, ary ny amaraignan'igny de tônga takô amin'ny tanàgnan'i Mileto. 16Fô Paoly nanapa-kevitra ny handaiha sambo handalo an'i Efesosy, mbô tsy handany fotoagna aila agny Asia izy; satrià izy de maika ny ho agny Jerosalema ny andron'ny Pentekosta, ra azony atô ny magnano zegny.17Avy agny Mileto no nandifasany lalahy ho agny Efesosy ary nagnantso ny lôhôlon'ny fiangonagna hake aminy. 18Kôfa tônga takô aminy izy irè, de nivôlagna taminjaré izy hoe: "Anare taignanaré mahay, hatramin'ny andro voalôhany nandiavako an'i Asia, hoe karakôry no nandaniàko ny fotoagnako niaraka taminare. 19Za de nanômpo hatragny ny Tompo tamin'ny fanitrian-taigna jiaby sy ranomaso, ary tagnaty fijaliagna no nitranga taminahy zegny nohon'ny teti-dratsin'ire Jiosy. 20Anare de mahay fô tsy nitazogna fanginagna tamin'ny fangnambaragna taminare irè jiaby zay nilaigna za, sy ny fomba nampianarako anare tagnatraihan'ôlo ary tamin'ny isan-tragno, 21hijoroako vavolambelogna tamin'ire Jiosy sy irè Jentilisa mômba ny fibebahagna amin'Andriamanitra sy ny finoàgna akô amin'ny Jesosy Tompontsika.22Indro avaizo, ho agny Jerosalema za, nitiren'ny Fagnahy Masigna kay tsy mahay zay hahazo anahy agny, 23fatsy zay hampitandraiman'ny Fagnahy Masigna anahy isaky ny tanàgna maventy amin'iré famatôragna sy fijaliagna zay mandigny za. 24Fô za de tsy mihevitra ny fiaignako hoe misy valaira amin'ny taignako, ra tsy hoe havita ny halakiàko sy ny asa fanompoàko zay niraisiky avy amin'i Jesosy Tompo za, hagnambara ny filazantsaran'ny fasoàvan'Andriamanitra.25Ary indro avaizo, fantako fô anare jiaby, zay nagnambarako ny fanjakagna, no tsy hahita ny tarehiky aiky. 26Noho zegny ambarako aminare amin'itô andro itô, fô za de tsy manan-tsigny amin'ny ràn'ny ôlo. 27Fô tsy navoniky taminare ny fagnambaragna ny sitrapôn'Andriamanitra jiaby.28Noho zegny tandremo ny mômban'ny taignanare, sy ny mômban'ire ondry jiaby zay nampandrakaitan'ny Fagnahy Masigna anare. Mitandraima amin'ny mpiambigna ondrin'ny fiangonan'Andriamanitra, zay nividiny tamin'ny ràny manôkagna. (Fagnamarihagna: ra ''Tamin'ny ràny manôkagna'' ny amin'ny taratasy talôha de mivaky hoe: "Tamin'ny ràn'ny zanaka lalahiny manôkagna.'') 29Fantako fô avafaran'ny fandianako, de ho avy aminare irè amboàdy masiàka ary tsy hiàtra an'iré ondry. 30Fantako fô de avy aminare aza de hisy ôlo ho avy ary hagnôva ny marigna mbô hitarika irè pianatra hagnaraka azy irè.31Koà miambaina. Aza adigno fô tagnatiny telo tôgna za no tsy nijanogna nampianatra ny tsiraikaraika avy aminare, andro aman'aligna tamin'ny ranomaso. 32Avaizo ankigniky amin'Andriamanitra sy amin'ny tenin'ny fasoavany anare, zay afaka manangagna sy magnamià anare ny lôva amin'ire jiaby zay namasinigna.33Tsy nagniry vôlafotsy, vôlamaina, na akanjon'ôlo za. 34Anare taignanaré no mafantatra fô ireto tanagna ireto no nanôlotra zay nilaiky ary iré nilain'ire zay niaraka taminahy. 35Tamin'ny ra jiaby no nagnomaizako ôhatra anare ny fômba tôkony hagnampianare irè malemy amin'ny alalan'ny asa, ary ny fômba hitsarôvanare irè tenin'ny Tompo Jesosy, teny zay nivolagniny izy taignany hoe: "Masambatra kokoà ny magnamià noho ny mandray.''36Kôfa avy nivôlagna karanjegny, izy de nandongalitra ary nivavaka niaraka tamin'izy jiaby. 37Nisy fitomagniagna be te ary nitôlogna an'i Paoly sy nagnôroka ananjy zare. 38Nalahelo ny maro taminjare noho zay nivolagniny, hoe: zare de tsy hahita ny tarehiny aiky. Avake nagnatitra ananjy tamin'ny sambo zare.

Chapter 21

1Kôfa niala taminjare zaihay de nandaiha an-tsambo, ary nagnaraka lalagna mahitsy nankagny amin'ny tanàgnan'i Kosy, nakagny amin'ny tanàgnan'i Rody ny andro magnaraka, ary avy akô de nakagny amin'ny tanàgnan'i Patara. 2Kôfa nahita sambo Foinika zaihay, de niditra takô zaihay kay nandaiha sambo.3Kôfa avy nahita an'i Kyprosy, de nagnombaila zegny tampitan'ny sambo, nandaiha sambo ho agny Syria zaihay ary niantsogna takô Tyro, toeragna zay namoàhan'ire tantsambo ny aintagna tagnaty sambo. 4Ra vô nahita an'iré pianatra zaihay, de nidôka tagny tagnatin'ny fito andro. Tamin'ny alala'ny Fagnahy de nandresy lahatra an'i Paoly hatragny zare mbô tsy handaiha ho agny Jerosalema.5Kôfa tapitra ny andronay, de niala takô zaihay kay nandaiha tamin'ny làlagnanay, ary izy kôfa, nagnaraka tamin'ire vady aman-janagny, nagnaraka nivoàka tamin'ny tanàgna. Ary nandongalitra tamôron-dranomasingna de nivavaka 6ary nifagnano veloma. De niditra tagnaty sambo zaihay, ary zaré niherigna tan-dragnony.7Kôfa vitanay ny laihà tagny Tyro, de tônga tagny Tolemaia zaihay. Tagny de nitrôtra tamin'ire ralahy ary nidôka raika andro niaraka taminjaré. 8Ny amaraigna de niala takô zaihay ary nandaiha tagny Kaesaria. Niditra ny tragnon'i Filipo antsika, evanjelista, zay tamin'iré fito, ary nijanogna niaraka taminy zaihay. 9Avaizo io lalahy io de nanagna zanaka viavy virijiny aifatra zay naminagny.10Kôfa nijanogna takô tagnatin'ny andro maromaro zaihay, de nisy mpaminagny raika nirôrogna avy tagny Jodia nantsôvigna hoe Agabo. 11Nagnatogna anay ary nalaka ny sentirin'i Paoly izy. Tamin'igny no namatôrany ny tongony sy ny tagnany ary nivôlagna hoe:" Ahozy ny Fagnahy Masigna, de ho karanjô no hamatôran'ire Jiosy agny Jerosalema ny lalahy zay tômpon'itô sentiry itô, ary honôlotra ananjy an-tagnan'ire Jentilisa'''.12Kôfa naregny zegny raha zaihay, de zaihay sy irè ôlogna mipaitraka takô amin'io toeragna io de niàngavy tamin'i Paoly tsy niakatra ho agny Jerosalema. 13Ary namaly i Paoly nagnano hoe: "Ino no atônare, mitomagny sy mandratra ny fôko? Za aifa vôgnona, tsy hoe hifatôragna foàgna, fô agnaran'i Tompo Jesosy.'' 14Satrià tsy nagniry ny hirisen-dahatra i Paoly, de nijanogna nagnandragna zaihay ary nivôlagna hoe: "Ôka ho tantairaka ny sitra-pôn'ny Tompo.''15Tavafaran'ire andro ire, de nitôdra ny sakanay zaihay kay niakatra nankagny Jerosalema. 16De nisy irè pianatra sanagny koà avy agny Sezarea nagnarakanay. Nitôndra lalahy raika niaraka taminjare zay natsôvigna hoe Menasona, lalahy avy agny Sipro, pianatra tranaigna, zay tôkony hiarahanay mitoetra.17Kôfa tônga tagny Jerosalema zaihay, de nandray anay am-pifaliagna irè ralahy. 18Ny amaraigna de nagnaraka anay i Paoly ho agny amin'i Jakoba, ary te dahôlo irè lôhôlogna jiaby. 19Kôfa avy niarahaba azy irè izy, de nitatitra tsiraikaraika irè raha jiaby zay aifa natôn'Andriamanitra tamin'ire Jentilasa tamin'ny alalan'ny asa fanompoagnany.20Kôfa naregny zegny zare, de nidaira an'Andriamanitra, ary nivôlagna taminy hoe: ''Hitanô, ry ralahy, agn'arivony firy no nino tamin'ire Jiosy. Tapa-kevitra izy jiaby hitandrigna ny lalàgna. 21Aifa nivolagninjare ny mômba anô, fô anô de mampianatra irè Jiosy jiaby zay mipaitraka amin'ire Jentilisa hafoé an'i Mosesy, ary anô mivôlagna ananjy irè tsy hamôra ny zanagny, ary tsy hagnaraka ny fômba talôha.22Ino no tôkony ho hatôntsika? Ho regnin-jaré tikoàtra fô tônga anô. 23Koà atôvo zay lazainay anô. Managna lalahy aifatra zay nagnano tsikafara zaihay. 24Indôso irè lalahy irè ary diôvy miaraka aminjare ny taignanare, ary hifay irè fandaniagnan-jare, mbô hagnaraka ny lôhany zare. Kay ho fantatr'ôlogna jiaby fô irè raha zay nivolagnina mômba anare de diso. Ho fantan-jaré fô anô de magnaraka lalàgna koa25Fô mikasika irè Jentilisa zay nino, zaihay de nanôratra sy nagnamia torolalagna fô tôkony hitandrigna ny taignany amin'ny raha vita sôrogna ho an'ny sampy zare, avy amin'ny rà, avy amin'zay nigijaigna, sy avy amin'ny fijangajangagna. 26Avake de nalain'i Paoly irè lalahy, ary ny amaraigna, izy nagnady ny taignany niaraka taminjare, niditra tan-tempoly, nagnambara ny vanim-potoagnan'ny andron'ny fagnadiôvagna ny mandrapagnatitra ny rakitra ho an'ny ôlo tsiraikaraika taminjare.27Kôfa ho tapitra iré andro fito, iré Jiosy sasantsanagny avy agny Asia, nahita an'i Paoly tan-deglizy, nampikôrôntagna iré vahoàka jiaby, ary nisambotra ananjy. 28Nitabataba zaré hoe: "Ry ôlogn'Israely, ampià zahay.'' Io lay lalahy zay mpampianatra ny ôlogna jiaby hatraiza hatraiza iré raha zay manôhitra ny ôlogna, ny lalàgna, ary tô toairagna tô. Fagnampin'zagny, nitôndra Grika tan-tempoly koà izy ary nandoto an'itô toairagna masigna tô. 29"Fô zaré talôha nahita an'i Trofima zay Efezianina niaraka taminanjy tan-tanàgna, ary nieritreritra zaré fô i Paoly no nitôndra ananjy tan-tempoly.30Nifanaraitaka ny tanàndraiky, ary niaraka niazakazaka sy nisambotra an'i Paoly ny ôlogna. Nisintogna ananjy hivoàka tan-tempoly zaré, de nafody teo no eo ny tamiagna. 31Kôfa te am-pamonoagna ananjy zaré, de nisy vôvô tonga tagny amin'ny kapiten'ny mpiambigna fô mikorontagna aby Jerosalema jiaby.32Avy hatrany izy de nalaka miaramila sy kapiteny ary niazakazaka nirôrogna amin'iré vahoàka. Kôfa nahita iré kapiteny sy iré miaramila ny vahoàka, de nidôko namely an'i Paoly zaré. 33De nagnatogna lay kapiteny ary nisambotra an'i Paoly, ary nasainy nifatôragna tamin'ny rôjo vy roa izy. De nagnontany izy hoe: zôvy ary ino no natôny.34Ny sanagny taminjaré vahoàka nitabataba raha raika ary iré hafa raha hafa. Satria tsy afaka nivôlagna na ino na ino ny kapiteny noho ny tabataba jiaby, de nasainy nindôsigna ho agny amin'ny rova i Paoly. 35Kôfa tônga tamin'ny tôhatra izy, de nindôsin'iré miaramila izy noho ny herisetram-bahoàka. 36Fô nagnaraka tafara ny vahoàka be ary nanohy niorakoraka hoe: ''vonoÿ izy''37Kôfa igny indôsigna tan-drova igny i Paoly, de aozin'ny tamin'ny kapiteny: "Afaka mivôlagna raha aminô mô za?" Aozin'lay kapiteny hoe: "Miteny Grika mô anô? 38Tsy anô mô lay Egyptiana, zay nitarika fikomiagna tagny alôha ary nitarika iré efatra arivo lahy amin'ny mpamono ôlogna nivoàka avy tagny an-tany efitra?"39I Paoly nivôlagna hoe: "Zaho de Jiosy, avy agny amin'ny tanàgnan'i Tarsosy agny Kiliaka. Zaho de ôlom-pirenegnan'ny tanàgna manan-danja. Mangataka aminô zao, ambilay zaho hivôlagna amin'ny ôlogna." 40Kôfa nambaila anajy hivôlagna lay kapiteny, de nitsangagna tamin'ny tôhatra i Paoly ary nagnano fihetsika tamin'ny tàgnany tamin'ny vahoàka. Kôfa nisy fangignana laligna de nikoragna taminjaré fiteny Hebreo izy. Aoziny:

Chapter 22

1"A ralahy sy a baba, tandrignaiso ny fiarôvako zay hatôko aminaré avaizo." 2Kôfa naregny an'iPaoly nivôlagna tamin'ny teny Hebreo iré vahoàka, de nanjary nangigna zaré. Aoziny hoe:3"Jiosy zaho, tairaka tagny Tarsosy agny Kilikia, fô nibiazigna teto amin'itô tanàgna tô te amin'ny tongon'i Gamalila. Nampianarigna arakan'ny fômba entitry ny lalàn'iré razantsika zaho. Taigna mafana fô ho an'Andriamanitra zaho, karaha anaré jiaby amin'izao andro izao. 4Nagnenjika io Làlagna io ho amin'ny fafataisagna zaho, namatotra sy nanôlotra anjaré tan-dragno maizigna na lalahy na viavy, 5ary ny mpisorogna be sy iré lôhôlogna jiaby afaka mijoro vavolombelogna. Nandray taratasy avy agny aminjaré ralahy agny Damaskosy zaho, ary nandaiha nankagny nitôndra zaré niherigna mbôla mifatotra hankagny mbô hanaziagna anjaré."6Zô no niseho kôfa nandaiha ary nariny an'ny Damaskosy zaho, ary tatoandro be te ho eo de nisy hazavagna maventibe avy agny an-dagnitra nanomboka mangilatra nagnodidigna anahy. 7Lavo tamin'ny tany zaho ary naregny feo nivôlagna taminahy hoe: 'Saoly, Saoly, nagnino anô magnenjika Anahy?' 8Namaly zaho hoe: 'Zôvy mô anô, Tompoko?' Nivôlagna taminahy Izy hoe: 'Izaho no Jesosin'ny Nazareta, zay injehinô.'9Iré zay niaraka taminahy de nahita ny hazavagna, fô zaré tsy nahay lay feo nivôlagna taminahy. 10Oazaho hoe: 'Ino no tôkony hatôko, Tompoko?' Ny Tompo nivôlagna taminahy hoe: 'Mitsangàna ary midira agny Damaskosy; agny no agnambaragna aminô ny raha jiaby zay tôkony hatônô.' 11Tsy nahita noho ny hangilàragny zagny fazavagna zagny zaho, ary nitantagnanjaré zay niaraka taminay, kay tôbga tagny Damaskosy zaho.12Nitrôtra tamin'ny lalahy raika natô hoe: Ananiasy tagny zaho, lalahy matahotra an'Andriamanitra nagnaraka ny lalàgna ary tsara laza te amin'iré Jiosy jiaby zay nipaitraka tô. 13Nagnatogna anahy izy, nijoro tankilako, ary nivôlagna hoe: 'A ralahy Saoly, mahità.' Tamin'zagny laira zagny foàgna de nahita ananjy zaho.14Ary nivôlagna izy hoe: 'Ny andriamanitr'iré razantsika de nifidy anô mbô ahay ny sitrapôny, mbô ahita ny Raiky Marigna, haregny ny feo aloaky ny vavany. 15Fô ho vavolombelogna ho Ananjy amin'ny ôlogna jiaby mômba zay hitanô sy regninô anô. 16Ary magnino anô no mandigny? Mitsangàna, ôka ho atô batisa, ary diôvo iré fahotanô, antsôvo amin'ny agnarany.''17Kôfa avy nierigna tagny Jerosalema zaho, ary kô mbôla nivavaka tan-tempoly, de nahazo tsindrimandry zaho. 18Nahita Ananjy nivôlagna taminahy hoe: 'Malaky mialà agny Jerosalema malaky, satrià zaré tsy hagneky fijoaroanô vavolombelogna mômba Anahy.'19Oazaho: 'Tompo, zaré taignany de mahay fô zaho de nagnagadra sy namely zay nino Anô jiaby tao Synagoga. 20Kôfa nalatsaka ny ràn'i Stefana vavolombelognanô, zaho koà de nitsangagna te sy nagneky, ary niambigna ny lamban'iré zay namono ananjy zaho.' 21Fô nivôlagna taminahy Izy hoe: 'Mandihana, satrià halaifako lavitra an'iré jentilisa anô.'''22Nitandrignaisan-jaré mandra-pivolagnany zagny. De niafatra mafy zaré ary nivôlagna hoe: "Vony hiàla akéto amin'ny tany ny lalahy karaha io, satrià tsy mendrika ny ho velogna izy." 23Kôfa nitabataba zaré, nanipy ny lambany, ary nanipy vôvôka tamin'ny rivotra, 24ny liben'ny Kapiteny de nagnidy an'i Paoly mbô hindôsigna agny amin'ny lapa magnodidigna miaraka amim-bely izy, kay mbô izy taignany de ahay hoe nagnino zaré no niafatrafatra nanôhitra ananjy karanjagny.25Kôfa namatotra ananjy tamin'ny taretra hoditra zaré, de aozin'i Paoly tamin'ilay Kapiteny zay nitsangagna také: "Ara-dalàgna ho anaré mô ny magnakaravasy lalahy zay Romana sy tsambôla nitsaraigna aby? 26Kôfa naregny zagny lay kapiteny, de nandaiha amin'ny liben'ny Kapiteny izy kay nivôlagna ananjy, hoe: "lno zô atônô zô?" Fô mponin'ny Romana io lalahy io."27Nagnatogna lay liben'ny kapiteny ary nivôlagna taminanjy hoe: "Volagno aminahy, mponigna Romana mô anô?" Paoly namaly hoe: "Ia." 28Ary namaly lay kapiteny hoe: "Tamin'ny vôlabe foàgna no nazahoako io zom-pirenegna io. Fô Paoly nivôlagna hoe: "Natairaka ho mponign'ny Romana zaho. 29Ary nandao ananjy teo no eo lay lalahy zay namaitra-pagnotaniagna ananjy. Natahotra koà lay liben'ny kapiteny, kôfa hainy fô mponigny Romana i Paoly, satrià izy namatotra ananjy."30Ny amaraigna, te ahay ny marigna mômba iré fagnindrikidraihan'iré Jiosy nanôhitra an'i Paoly ny lehiben'ny kapiteny. Kay nivahany iré fatotra ary nibokoeny iré mpisorogna be sy iré filan-kevitra jiaby mbô hivory izy. Ary nitôndra an'i Paoly nirôrogna izy ary namaitraka ananjy tagnivonjaré.

Chapter 23

1Paoly de nizaha nivantagna tagny amin'iré mpikambagna tamin'ny filan-kevitra ary nivôlagna hoe: "A rahalahy, zaho de aifa niaigna tagnatraihan'Andriamanitra tamin'ny fieritreretagna tsara jiaby mandrakigniany." 2Ny mpisorognabe Ananiasy de nibeko re zay nitsangagna tankilany mbô hamilaizagna ny vavany. 3Avy te i Paoly nivôlagna ananjy hoe: "Andriamanitra de hamely anô, anô ry rindrina voalalotra fotsy. Anô mô de mipaitraka hitsara ahy amin'ny lalàgna, naifa mandidy anahy mbô hivilezigna, tsy araka ny lalàgna?4Re zay nitsangagna te de nivôlagna hoe: "Zao mô no fômba hanaivatainaré ny mpisorognaben'Andriamanitra?" 5I Paoly nivôlagna hoe: "Tsy nahay zaho, ry rahalahy, hoe izy lay liben'ny mpisorognabe. Fô aifa voasôratra hoe: tsy tôkony hivôlagna ratsy ny mpitôndra ny vahoakanô anô."6Kôfa hitan'i Paoly fô ny sanagny tamin'ny filan-kevitra de Sadoseo ary ny hafa Fariseo, de nivôlagna mafy tao amin'ny filan-kevitra izy hoe: "A rahalahy, zaho de Fariseo, zanaka lahin'ré Fariseo. Zagny no izy satria zaho de magnantaigna tsara ny fitsanganan'ny maty zay hitsaragna anahy." 7Kôfa nivôlagna zagny izy, de nanomboka nisy fifandiragna tamin'iré Farieo sy ré Sadoseo, ary ny vahoaka de nizara. 8Fô re Sadoseo de nivôlagna fô tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty, tsisy re anjely, ary tsisy re fagnahy, naifa re Fariseo de nagneky anjare jiaby re.9Noho zagny de nisy fitabatabagna mafy niseho, ary ny sanagny taminjaré mpanora-dalàgna re Fariseo de nitsangagna ary niady hevitra, nivôlagna hoe: "Zahay de tsy mahita raha diso amin'io lalahy io. Akôry raha ny fagnahy na ny anjely no nikoragna taminanjy?" 10Kôfa nisy fifandiragna mafy te, ny kapiteny mpitarika de natahotra sao de hifandrotehanjaré i Paoly, noho zagny izy de nandidy re miaramila mbô hirôrogna sy halaka ananjy an-keriny agny amin're mpikambagna amin're filan-kevitra, ary hitôndra ananjy agny an-dapa.11Ny aligna magnaraka ny Tompo de nijoro tankilany ary nivôlagna hoe: "Aza matahotra, fô karaha ny nijoroanô vavolombelogna mômba Anahy tagny Jerosalema, no tsy maitsy hijoroanô vavolombelogna agny Roma koà."12Kôfa mandraigna ny andro, ny Jiosy sanagny de namôrogna tetika ary nagnôzogna ny taignanjaré miaraka amin'ny fianianana mbô tsy hihinagna na hisotro na ino na ino ambara-pamonoàn-jaré an'i Paoly. 13Mihoatra ny efapôlo ôlogna zaré namôrogna io tetika io.14Zaré de nandaiha tagny amin'ré mpisorognabe sy re lôhôlogna kai nivôlagna hoe: "Zahay de aifa nagnano fagnozôgnana maventy tamin'ny taignanay, mbô tsy hihinagna na ino na ino ambara-pamonoànay an'i Paoly. 15Avaizo, noho zagny, ambilay ny filan-kevitra hivôlagna amin'ny kapiteny mpitarika mbô hitôndra ananjy hirôrogna atô aminaré, ary anaré karaha hoe hanapa-kevitra amin'ny raha misy mômba ananjy marigna kokoa. Fô ho anay, zahay de vôgnona ny hamono ananjy alôhan'ny fatongavany aketo."16Naifa ny zanaka lahin'ny anabavin'i Paoly de naregny fa am-pidiniasagna ny hamonoagna ananjy zaré, noho zagny izy de nandaiha ary niditra ny lapa kai nivôlagna tamin'i Paoly. 17I Paoly de nagnantso ny raika taminjaré kapiteny kai nivôlagna hoe: "Ndôso agny amin'ny kapiteny mpitarika itô tôvolahy itô, fô manana raha volagnina aminanjy izy."18Noho zagny lay kapiteny de nandray lay tovolahy ary nitôndra ananjy tagny amin'ny kapiteny mpitarika kai nivôlagna hoe: "I Paoly lay gadra no nagnantso anahy ho agny aminanjy, ary nangataka anahy mbô hitôndra itô tôvolahy itô ho aketo aminô. Managna raha ho koragnina aminô izy." 19Ny kapiteny mpitarika de nalaka ananjy tamin'ny tagnana ho agny amin'ny toairagna mitôkagna ary nagnotany ananjy hoe: "Ino zagny tôkony hivolagninô aminahy zagny?"20Lay tôvolahy nivôlagna hoe: "Ré Jiosy de aifa nagneky ny angataka aminô mbô hitôndra an'i Paoly hirôrogna agny amin'ny filan-kevitra amaraigna, karaha hoe zaré de handaiha nagnontany ny mômba ananjy marigna kokoà. 21Naifa aza magneky anjaré, satrià efa misy ôlogna mihoàtra ny efapôlo zay aifa mivôgnona hamono ananjy. Nagnantso ôzogna ho an'ny taignany zaré, mbô tsy nihinagna na hisotro ambara-pamonoànjaré ananjy. Fô na de zao aza de aifa vôgnona zaré, mandigny fagnikiagna avy aminô.''22Kay navailan'ilay kapiteny mpifehy handaiha lay tôvolahy, tafaran'ny nanoroàny ananjy hoe: "Aza mivôlagna na aminjôvy ana aminjôvy hoe nivôlagna re raha re taminahy anô." 23Avy te izy de nagnantso ho aminanjy ny roa tamin'ré kapiteny kai nivôlagna hoe: "Alaivo ny miaramila roanjato zay vôgnona ny andaiha agny Kaisaria, sy mpitikin-tsoavaly fitopôlo koa, ary mpitôndra lefogna roanjato. Handaiha anô amin'ny laira fahatelon'ny aligna." 24Izy foagna koa de nandidy anjarè mbô hagnomia biby zay afaka hitikinan'i Paoly, ary mbô hitôndra ananjy soa aman-tsara agny amin'i Feliksa ilay governora.25Avy te de nanôratra taratasy karanjo izy: 26"Klaodio Lisia ho an'i Feliksa governora taigna tsara, arabaigna. 27Io lalahy io de nisambôrinjaré Jiosy ary saika nivoninjaré, kôfa tônga taminjaré niaraka tamin're miaramila zaho de nagnavotra ananjy, satria nahay zaho fô izy de ôlom-pirenegna Romana."28Zaho de te hahay ny antony niampanganjaré ananjy, noho zagny de nindôsiko nirôrogna tamin'ny filan-kevin-jaré izy. 29Nahay zaho fô voapanga tamin'ny ady hevitra mikasika ny lalàgnanjaré manôkagna izy, naifa tsisy fiampangagna nanohitra ananjy zay mendrika fahafataisagnana fagnagadragna. 30Avy te de nampafantarigna anahy fô nisy tetika hanohairagna lay lalahy, noho zagny de nandaifa ananjy te noho eo tagny aminô zaho, ary nagnafatra re mpiampanga ananjy koa mbô hitôndra ny fanamelohan-jaré ananjy agnatraihanô. Veloma."31Kay noho zagny re miaramila de nagneky re bekonjaré. Nalainjaré i Paoly ary nindôsiny tamin'ny aligna tagny Antipatria. 32Ny amaraigna, ny ankamaroan're miaramila de nandao re mpitikin-tsoavaly mbô handaiha hiaraka aminanjy fô zaré de nierigna tagny an-dapa. 33Kôfa tônga tagny Kaisaria re mpitikin-tsoavaly kai nanôlotra ny taratasy ho an'ny governora, de nanôlotra an'i Paoly taminanjy koa.34Kôfa namaky ny taratasy ny governora, de nagnontany ny faritany zay niavian'i Paoly izy, kôfa fantany fo avy agny Kilikia izy, 35de nivôlagna hoe: "Zaho de haregny tantairaka anô kôfa tônga aketo re mpiampanga anô." De nasainy nitanagna tamin're foiben'ny fanjakan'i Heroda izy.

Chapter 24

1Tafaran'ny dimy andro, Ananiasy lay mpisorognabe, re lôhôlogna sanagny, ary mpikabary antsôvigna hoe Tertylo de nandaiha tagny. Re lalahy re de nitôndra fiampangagna an'i Paoly talôlohan'ny governora. 2Kôfa nitsangana talôhan'ny governora i Paoly, de nanomboka niampanga ananjy i Tertylo kai nivôlagna hoe: "Noho anô de managna fiadanagna maventy zahay, ary ny fahitanô de mitôndra fagnovana tsara amin'ny firenegnanay; 3kay am-pankasitrahagna tantairaka no handraisanay ny raha jiaby zay ataonô, ry Feliksa taigna tsara."4Mbô tsy hitanaka anaré aila loatra, de mangatakafotoagna fôhy aminaré zaho mbô hitandregny anahy am-pahatoniagna. 5Fô io lalahy io de hitanay fô mpagnakorôntagna ary iraika zay nitarika ny Jiosy jiaby magnairagna izao tontolo izao hikomy. Izy no mpitarika ny sekta Nazareana. 6Ary izy koa niaizaka ny handoto ny tempoly, ka de nisambôrinay izy. (Fagnamarihagna: re antontan-taratasy talôha de nagnampy hoe: "Tianay ho tsaraigna araka ny lalàgnanay izy.")7(Fagnamarihagna: Re antontan-taratasy talôha de ahitagna ao amin'ny andinigny faha 7 hoe: "Fô Lysia, mpiandraikitra, tônga ary nalaka ananjy an-keriny tan-tagnanay.") 8Kôfa magnontagny an'i Paoly mikasika regny raha jiaby regny anô, de ho hainô ny mikasika regny fiampangagna natônay momba ananjy regny." (Fagnamarihagna: Re antontan-taratasy talôha de nagnampy ao amin'ny tapany vôlohany amin'ny andininy faha 8 hoe: "Nandaifa anay taminô.") 9Re Jiosy foagna koa de nagnampy trotraka regny fiampangagna regny, ary nagnamafy fô marigna aby regny.10Fô kôfa notondroen'ny mpanapaka hivôlagna i Paoly, de namaly Paoly hoe: "Fantako fô anô de aifa mpitsara taketo amin'itô firenegna itô nandritry ny tôgna maro, kai de faly ny taignako magnazava aminô. 11Ho fantanô fô tsa mbôla nihoatra ny roa ambin'ny fôlo andro zay no niakarako nidaira tagny Jerosalema. 12Kôfa hitanjaré tan-tempoly zaho, de tsy niady hevitra na tamin-jôvy na tamin-jôvy zaho, ary tsy namporisika ny vahoaka, na tamin'ire Synagoga, na tan-tanàgna. 13Tsy afaka magnaporofo aminô re fiampangagna zay atôny aminahy avaizo zaré.14Saingy zaho magneky zô aminô, araka ny Fampinaragna zay antsôvinjaré hoe sekta, de karanjany koa no hanompoko ny Andriamanitry ny razambentsika. Zaho de mahatoky amin'ny jiaby zay ao amin'ny lalàgna sy re voasôratr're mpaminagny. 15Managna ny fahatokisagna an'Andriamanitra kara re ôlogna re zaho, fô hisy ny fitsanganan'ny marigna sy ny ratsy fagnahy amin'ny maty. 16Noho zagny zaho de miaizaka mandrakariva mbô hanagna fisainagna madio agnatraihan'Andriamanitra sy ny ôlombelogna.17Ary tafaran'ny tôgna maro de tônga zaho hitôndra fagnampiagna ho an'ny fireneko sy fagnomaizagna ara-bôla. 18Kôfa vita zagny, nisy Jiosy vitsivitsy avy agny Asia nahita anahy tagny amin'ny fetin'ny fagnadiôvagna tao amin'ny tempoly, tsy niaraka tamin'ny vahoaka na tabataba. 19Re ôlogna re de tôkony ho agnatraihanaré avaizo kai hivôlagna zay hiampanganjaré anahy, kô magnana raha zaré.20Na koa, re ôlogna re foagna no tsy tôkony hivôlagna zay hitanjaré tsy mety aminahy kôfa nitsangagna talôhan'ny filan-kevitry ny Jiosy zaho, 21kôfa tsy hoe momba ny raha raika zay niafarako kô nijoro tagnivonjaré zaho: 'Zagny de mikasika ny fitsanganan'ny maty zay hitsaragna anahy aketo agnatraihanaré gniagny.'22Ary Feliksa, zay nampahafantarigna tsara mômba lay Fampianaragna. Izy de nivôlagna hoe: "Kôfa mirôrogna avy agny Jerosalema i Lysia mpandidy, de hanapa-kevitra ny amin'ny raharahanô zaho." 23Avy te izy nandidy lay kapiteny fô i Paoly de tôkony hiambaisagna, fô mbô hisy fahafahagna de tsisy amin'ire namany ho sakanagna amin'ny fagnampiagna zay raha ilaigny.24Andro vitsivitsy tafaranjany, de nierigna niaraka tamin'i Drosila vadiny i Feliksa, zay viavy Jiosy, kai nalaifa ho agny i Paoly ary naregny taminanjy mômba ny finoagna ao amin'i Kristy Jesosy. 25Fô kôfa niady hevitra niaraka taminanjy i Paoly mômba ny fahamarinagna, fahonognan-taigna, sy ny fitsaragna ho avy, de nanjary natahotra i Feliksa kai nivôlagna hoe: "Mandihana manomboka zao. Fô kôfa managna fahafahagna zaho afara akô de handaifa ho anô."26Nandritr'zagny fotoagna zagny foagna, de nanantaigna izy fô hagnomia vôla ananjy i Paoly, noho zagny de nandaifa ho ananjy matetika izy ary nikoragna taminanjy. 27Fô kôfa afaka roa tôgna, de lasa governora nandimby an'i Feliksa i Porsio Festosy, saingy Feliksa te hahazo sitraka tamin're Jiosy, de navailany ho hambainagna koa i Paoly.

Chapter 25

1Avaizo, Festosy niditra tamin'ny faritany, ary telo andro tafara, de niakatra avy tao Kaisaria izy ho agny Jerosalema. 2Ny lôhan'ny mpisorogna sy re Jiosy manan-kaja de nitôndra fagnamilôhagna hiampangagna an'i Paoly, kai namporisika ananjy 3sy nangataka taminanjy zaré mbô hampidi-doza an'i Paoly_kai mety hampagnantso an'i Paoly ho agny Jerosalena Festosy mbô afahanjaré mamono ananjy agny an-dalagna.4Kanaifa Festosy namaly fô gadra ao Kaisaria Paoly, ary izy taignany de hierigna agny tsy ho aila. 5"Noho zagny, re zay afaka," aoziny: "de tôkony handaiha hiaraka aminay ho agny. Kô nagnano raha tsy nety lay lalahy, de tôkony hiampanga ananjy anaré."6Festosy de tsy nidôka nihoàtra ny valo na fôlo andro ary avy te nirôrogna nankagny Kaisaria, ary ny andro magnaraka de nipaitraka tamin'ny toairan'ny fitsaragna izy ary nandidy an'i Paoly mbô hindôsigna agny aminanjy. 7Kôfa tônga izy, de nipaitraka tankilany te re Jiosy avy agny Jerosalema, ary nitôndra fiampangagna goavagna maro zaré zay tsy afaka niporofonjaré. 8Niarotaigna Paoly ary nivôlagna hoe: "Tsy nagnano raha ratsy manôhitra ny lalàgnan'ny Jiosy zaho na manôhitra ny tempoly na manôhitra an'i Kaisara."9Saingy nizaha zay ahazahoagna ny fankasitrahanjaré Jiosy i Festosy, ary noho zagny de namaly an'i Paoly izy kai nivôlagna hoe: "Te-hiakatra ho agny Jerosalemana mô anô ary tsaraiko mômba regny raha tagny regny?" 10Aoziny Paoly hoe: "Mitsangagna aketo alôhan'ny seza fitsaran'i Kaisara zaho zay tsy maintsy hitsaragna anahy. Tsy nagnano ratsy ny Jiosy zaho, araka ny aifa fantanô tsara.11Kanaifa kô nagnano ratsy zaho ary kô nagnano zay mendrika ny fafataisagna, de tsy mandà ny ho foaty. Fô kô tsisy re fiampanganjaré, de tsisy ôlogna afaka mitôndra anahy ho agny aminjaré. Mangataka an'i Kaisara zaho." 12Kôfa avy nikoragna tamin'ny filan-kevitra Festosy, de namaly izy hoe: "Nangataka an'i Kaisara anô. Agny amin'i Kaisara no handaihananô."13Ary tafaran'ny andro vitsivitsy, de tônga tagny amin'i Kaisaria i Agripa mpanjaka sy Berenika mbô hamangy an'i Festosy. 14Tafaran'ny naha tao ananjy nandritry ny andro maro, de natôlotr'i Festosy tamin'ny mpanjaka ny raharahan'i Paoly; nivôlagna izy hoe: "Nisy lalahy raika navailan'i Feliksa atô karaha gadra. 15Kôa tagny Jerosalema zaho, de nitôndra fiampangagna itô lalahy itô taminahy re lôhan'ny mpisorogna sy re lôhôlogn'ny Jiosy, ary nangataka teny fagnamilôhagna ho ananjy zaré. 16Namaly anjaré zaho fô tsy fomban're Romana ny manôlotra ôlogna mialôhan'ny hiatraihany re mpiampanga ananjy sy hanagagnany fahafahagna hiaro-taigna amin'iré fiampangagna."17Noho zagny, kôfa niara-tônga taketo zaré, de tsy nandigny zaho, fô ny andro magnaraka de nipaitraka tamin'ny sezan'ny fitsaragna zaho ary nibeko ny ampidiragna ilay lalahy. 18Kôfa nitsangagna re mpiampanga kai nagnameloka ananjy, de nieveriko fô tsisy goavagna ny fiampangagna nindôsinjaré ho ananjy. 19Fô, nifamaly zaré mahakasika ny fivavahan-jaré manôkagna sy mômba zagny Jesosy zay maty zagny, zay nambaran'i Paoly fô velogna. 20Tsy azoko antoka ny fômba hagnadihadiagna itô tranga itô, ary noho zagny de nagnontaniako izy kô vôgnona ny ho agny Jerosalema mbô ho tsaraigna agny mômba re fiampangagna re.21Fô kôfa nangataka ny hidokoagna am-ponja mbô handigny ny fanapahan-kevitry ny Amperora i Paoly de nandidy ananjy zaho mbô hitanagna am-ponja izy mandra-pandifasako ananjy agny amin'i Kaisara." 22Agripa nivôlagna tamin'i Festosy hoe: "Tiaregny itô lalahy itô koa zaho." "Amaraigna," Aozin'i Festosy: "Haregny ananjy anô."23Kai ny andro magnaraka de tônga niaraka tamin'ny lagnonagna marobe Agripa sy Berenika; nankagny amin'ny efitragno maventy niaraka tamin're miaramila mpifehy sy re lalahy manan-kaja tamin'ny tanàgna zaré. Kôfa nivôlagna lay didy Festosy, de nidôsinjaré Paoly. 24Aozin'i Festosy hoe: "Agripa mpanjaka, sy anaré lalahy jiaby zay miaraka aminay aketo itanaré itô lalahy itô; re vahoakan'ny Jiosy jiaby nifagnaraka taminahy tagny Jerosalema sy takeko koa, de nitaraigna taminahy zaré fô tsy tôkony ho velogna eky izy."25Fantako fô tsy nagnano na ino na ino mendrika ny fafataisagna izy; fô satrià nangataka ny Amperora izy, de nanapa-kevitra zaho ny handaifa ananjy. 26Saingy tsisy raha manan-danja hisoratako agny amin'ny Amperora. Noho zagny antony zagny, de nindôsiko taminaré izy, indrindra aminô, Agripa Mpanjaka, mbô afahako managna raha hisoratako bebe kokoa mômba lay raharaha. 27Satria karaha tsy mety aminahy ny mandaifa gadra sy tsy milaza zay hiampangagna ananjy koa.

Chapter 26

1Noho zagny Agripa nivôlagna tamin'i Paoly hoe: "Afaka mivôlagna ho an'ny taignanô anô." De nagninjitra ny tagnany Paoly ary nagnano ny fiarovan-taignany. 2"Maneho ny taignako karaha faly zaho, ry Agripa mpanjaka mbô hitôndra ny raha mahazo anahy aketo alôhanô igniany manôhitra re fiampangan're Jiosy jiaby; 3indrindra, satria anô aifa matihanigna amin'ny fômba amam-pagnano sy fagnontagnian'ny Jiosy Jiaby. Noho zagny de mangataka anô zaho hitandregny anahy am-paharaitagna.4Marigna fô, re Jiosy jiaby de mahafantatra ny fomba fiainako hatramin'ny fahatanorako tagny amin'ny firenegnako manôkagna sy tao Jerosalema. 5Zaré de nahay anahy hatragny am-bôlôhany ary tôkony hagneky zaré fô Fariseo fiainagna zaho, ny hentitra indrindra amin'ny antokon'ny fivavahantsika.6Ary mijoro aketo zaho ho tsaraigna satria mitady ny fampagnantenagna zay natôn'Andriamanitra tamin're razantsika zaho. 7Fô itô no fampagnantenagna nantignain'ny fokontsika roambinifôlo ho raisigna kôfa nanompo an'Andriamanitra andro aman'aligna tikoatra zaré. Ho anjany fagnantegnana zagny, ry Agripa mpanjaka, no hiampangagn'iré Jiosy anahy. 8Nagnino anaré no mihevitra fô tsy azo inoagna fô manangagna ny maty Andriamanitra?9Nisy fotoagna zaho nihevitra tamin'ny taignako fô tôkony hagnano raha maro manôhitra ny Agnaran'i Jesosy avy agny Nazareta zaho. 10Nagnano zagny tagny Jerosalema zaho. Nanidy maro tamin'ire mpino tagny am-ponja tamin'ny fahefagna niraisiky avy tamin'ire lôhan'ny mpisorogna zaho, ary kôfa vodaroka zaré, de nandatsaka ny hatôko hanohitra anjaré zaho. 11Nisaziky imbaitsaka zaré tagny amin'ire synagoga jiaby ary niaizaka ny hanery anjaré mbô hiteny ratsy zaho. Vignitra mafy taminjaré zaho ary nagnenjika anjaré na de tagny amin'ire tanàgna agny ivailagny aza.12Kô mbôla nagnano zagny zaho, de nandaiha tagny Damaskosy niaraka tamin'ny fahefagna sy re didy avy amin'ire lôhan'ny mpisorogna; 13ary tagny an-dalagna nankagny, tamin'ny atoandro be, ry mpanjaka de nahita hazavagna avy agny an-dagnitra zaho zay mangilatra noho ny masoandro ary zagny de nangilatra nagnodidigna anahy sy re lalahy zay niara-dia taminahy. 14Kôfa lavo tamin'ny tany zahay jiaby, de naregny feo nikoragna taminahy zaho zay nivôlagna tamin'ny teny Hebreo hoe: 'Saoly, Saoly, nagnino anô no magnenjika Anahy?' Sarotra aminô ny handaka fanindronana.15Avy te nivôlagna za hoe: 'Izôvy mô Anô, Tompo?' Ny Tompo namaly hoe: 'Zaho no Jesosy zay enjehinô. 16Avaizo miaraima ary mitsangana amin'ny tongonô; satria noho zô antôny zô no nisehoako taminô, mbô hanendry anô ho mpanompo sy ho vavolombelogna ikasika re raha zay fantanô mômba Anahy avaizo ary re raha zay hasehoko anô akô afara hely akô; 17ary hagnavotra anô amin'ny vahoaka sy re Jentilisa zay hagnasako anô zaho, 18mbô hanôkatra ny masonjaré ary hampitôdika anjaré hiala amin'ny hizigna hankagny amin'ny fahazavagna ary amin'ny herin'ny satana hankagny amin'Andriamanitra, mbô hafahanjaré mandray avy amin'Andriamanitra ny famelan-keloka ny fahotagna sy ny lôva zay amiako ananjaré zay nohamasinigna tamin'ny finoagna Anahy.'19Noho zagny, ry Agripa mpanjaka, nagneky ny fahitana avy tagny an-dagnitra zaho; 20fô, ny amin're zay tagny Damaskosy malôka, ary avy te avy tagny Jerosalema, ary nagnairagna ny tanin'ny Jodia jiaby, ary koa tamin'ire Jentilisa nagnomia anjaré ny hafatra zaho fô tôkony hibaibaka sy hitodika amin'Andriamanitra zaré, hagnano asa mendrika ny fibaibahana. 21Noho zagny antony zagny no nisamboran'ire Jiosy anahy tan-tempoly sy niaizaka hamono anahy.22Nagnampy anahy hatramin'zao Andriamanitra, noho zagny de mitsangagna zaho ary mijoro vavolombelogna amin'ny ôlon-tsotra sy amin'ire manan-kaja tsy hivôlagna na ino na ino mihoatra zay nivolagnin'ire mpaminagny sy Mosesy fô hitranga; 23fô tsy maintsy hijaly Kristy, ary Izy no vôlôhany hitsangagna amin'ire maty mbô hitsangagna sy hitory fahazavagna ho an'ire vahoaka Jiosy sy re Jentilisa.''24Kô vitan'i Paoly ny fiarovan-taignany, de nivôlagna tamin'ny feo mafy Festosy hoe: "Paoly, very saigna anô; ny fianaragnanô be loàtra no nahatônga anô ho very saigna." 25Fô aozin'i Paoly hoe: "Tsy very saigna zaho, ry Festosy taigna tsara; fô amin'ny fahasahiagna zaho mivôlagna tenin'ny fahamarinagna sy famatoragna. 26Fô ny mpanjaka mahafantatra mômba zagny raha zagny; ary noho zagny, mivôlagna an-kalalahagna aminanjy zaho, fô resy lahatra fô tsisy taminjany navony taminanjy; satria tsy natao tagny amin'ny takogna zagny."27Mino ny mpaminagny mô anô, ry Agripa mpanjaka? Fantako fô mino anô." 28Agripa nivôlagna tamin'i Paoly hoe: "Ao agnatin'ny fotoagna fohy mô no handresenô lahatra anahy sy hagnanovanô anahy ho Kristiana?" 29Aoziny Paoly hoe: "Mivavaka amin'Andriamanitra zaho, mbô na agnatiny fotoagna fohy na fotoagna lava, tsy anô foagna, fô anaré jiaby zay maregny anahy igniany koa, de hitovy aminahy, fô tsy miaraka an'iregny rôjo regny."30Avy te nitsangagna ny mpanjaka, sy ny governora, sy Berenika koa, ary re zay nipaitraka niaraka taminjaré; 31kôfa nandao ny tragno fivoriagna zaré, de nifampiraisaka ary nivôlagna hoe: "Itô lalahy itô tsy magnano raha mendrika ny fahafataisagna na famatôragna." 32Aozin'i Agripa tamin'i Festosy hoe: "Itô lalahy itô de afaka nalaifa kô tsy nantsôvigna tagny amin'i Kaisara izy."

Chapter 27

1Kôfa tapaka fô tôkony hiantsambo ho agny Italia zahay, de napaitrakanjaré i Paoly sy re gadra hafa ho ambanin'ny fiahian'ny kapiteny raika antsôigna hoe Jolio zay an'ny rezimantan'ny Amperora. 2Niditra tagnaty sambo raika avy agny Adramytena zahay, zay hiondragna magnaraka ny sisin-tanin'ny Asia. Kai de nandaiha an-dranomasigna zahay. Aristarko avy agny Tesalonika agny Makedonia de nandaiha niaraka taminay.3Ny andro magnaraka de tônga tao amin'ny tanàgnan'ny Sidona zahay, zay nitôndran'i Jolio an'i Paoly tamin'ny hatsaram-pagnahy ary namaila ananjy handaiha ho agny amin'iré namany handray ny fikarakaranjaré. 4Avy tagny zahay no nandaiha an-dranomasigna ary niantsambo nagnaraka ny môron'ny Kyprosy, nariny ny nosy,satrià nanôhitra anay ny rivotra. 5Avy te niantsambo namakivaky ny ranomasigna zahay ary nariny ny sisin-tanin'ny Kilikia sy Pamfilia, tônga tao Myra zahay, tanàgnan'ny Lykia. 6Tagny, ny kapiteny de nahita sambo raika avy agny Aleksandria zay hiantsambo ho agny Italia. Napaitrany taminjany zahay.7Kôfa niantsambo niadagna nandritry ny andro maro zahay ary ny farany de tônga tam-pahasahiranagna takilan'ny Kinidio, de tsy namaila anay andaiha taminjany lalagna zagny eky ny rivotra, kai de niantsambo nagnaraka ny ilany takon-drivotry ny Kreta zahay, mifankariny amin'ny Salmona. 8Nagnara-môrona tam-pahasahiranagna zahay, mandra-pahatônganay tagny amin'ny toairagna hoe Tsara-fitodian-tsambo, zay akilan'ny tanàgnan'ny Lasea.9Ary nandany fotoagna baitsaka zahay, aifa dila koa ny fotoagna fifadian-kaninjaré Jiosy, ary aifa lasa nampidi-doza ny miondragna an-tsambo. Kai nampitandrigna anjaré i Paoly, 10ary nivôlagna hoe: "A lalahy, hitako fô itô dia zay atôtsika itô de hisy faharatragna sy fatiantoka maro, tsy ho an'ny entagna sy ny sambo foagna, fô ho an'ny aintsika koa." 11Fô ny kapiteny nagnomia lanja kokoa ny mpitôndra sy ny tompon'ny sambo noho re raha zay voalazan'i Paoly.12Satria amin'ny seragnana de tsy môra kô hidôka mandritry ny rirignina, de maro tamin'Ire mpiantsambo no nanoro hevitra ny hiondragna hiala te, fô mbô afaka hihazo ny tanàgnan'ny Foiniksa amin'ny fômba jiaby zahay, mbô hipaitraka agny mandritry ny rirignina. Foiniksa de seragnana agny Kreta, ary magnatrika ny miagnavaratra-andraifagna sy miagnatsimo-andraifagna zagny. 13Kôfa nanomboka nitsoka malaifaka ny rivotra avy agny atsimo, de nihevitra re tantsambo fô nanagna zay nilainjaré. Kai de nampakatra ny vatofantsika ary niondragna nagnaraka an'i Kreta zaré, nariny ny môron-dranomasigna.14Fô afaka fotoagna fohy de nisy tafio-drivotra mahery, nantsôvigna hoe Eoraklydona, nanomboka namely mafy avy agny amin'ny nosy. 15Kôfa tratry ny tafiotra ny sambo ary tsy afaka nanôhitra ny rivotra eky, de tsy maintsy nagnomia lalagna ny tafiotra zahay ary nindôsin-drivotra tamin'zay tiany. 16Niantsambo nagnaraka ny môron'ny nosy kely raika antsôvigna hoe Kaoda zahay, ary tamim-pahasahiranagna no nahafahanay niaro ny lakagna famonjiàn'aigna.17Kôfa nampakarinjaré ny lakagna famonjian'aigna, de nampiasanjaré ny tadiny mbô hamatôragna ny vatan'ny sambo. Natahotra zaré fô tôkony handaiha ambônin'ny fasika mandrevon'ny Syrtiso. kai de nalatsa-njaré ny vatofantsiky ny ranomasigna ary nandaiha ho azy tagny. 18Tratran'ny familaizagna mahery vaikan'ny tafiotra zahay ka ny andro magnaraka io de nanomboka nagnary re entagna tagny ivailan'ny sambo zaré.19Tamin'ny andro fahatelo re tantsambo de nanipy ny entagn'ny sambo tagny ivailan'ny sambo tamin'ny tagnanjaré manôkagna. 20Kôfa tsy nangilatra taminay nandritry ny andro maro ny masoandro sy ny kintagna, ary mbôla namely anay lay tafiotra maventy, de very aby ny fagnantenagna ny hahavoavonjy anay.21Kôfa lasagna lavitra tsisy hanigna zaré, de nitsangagna taminjaré tantsambo Paoly avy te nivôlagna hoe: "A lalahy tôkony nitandregny anahy anaré, ary tsy niondragna avy tagny Kreta, ho tratran'zô faharatragna sy fatiantoka zô. 22Avaizo de mamporisika anaré zaho mbô hahery, fô tsy hisy fahaverezan'aigna agnivonaré, fô fahaverezan'ny sambo foagna."23Fô tamin'ny aligna de nisy anjelin'Andriamanitra zay Tompoko, zay tompoiko ihany koa_nitsangagna tankilako ny anjeliny 24ary nivôlagna hoe: 'Aza matahotra, ry Paoly, tsy maintsy hitsangagna agnatraihan'i Kaisara anô, ary indro, Andriamanitra ao amin'ny hatsaram-pagnahiny no nagnomia anô zay miantsambo miaraka aminô jiaby.' 25Noho zagny mionogna, a lalahy! Fô matoky an'Andriamanitra zaho fô hitranga araka zay vôlaza taminahy zagny. 26Saingy tsy maintsy hidogna amina nosy maromaro antsika.''27Kôfa tônga ny aligna faha-efatra ambin'ny fôlo, kô nitompatompa tatô sy tarôko tamin'ny ranomasin'ny Adria zahay, tôkony tamin'ny sasak'aligna de nihevitra re tantsambo fô nariny tany zaré. 28De nalaka refin-drano zaré ary nahita fô efapôlo maitatra ny halalignany; tafara helin'izagny, de mbôla nalaka refin-drano koa zaré ary nahita fô telopôlo maitatra ny halalignany. 29Natahotra zaré sao hidogna amim-bato zahay, kai de nandatsaka vatofantsika efatra avy afara zaré ary nivavaka mbô ho kiaka tsy ho aila.30Re tantsambo de nizaha fômba handaozagna ny sambo ary nandatsaka ny lakagna famonjain'aigna tagny an-dranomasigna, ary nody nandatsaka ny vatofantsika avy te an-dôha-tsambo zaré. 31Fô Paoly nivôlagna tamin'ny kapiteny sy re miaramila hoe: "Kô tsy midôka agnaty sambo re lalahy re, tsy ho voavonjy anare." 32Avy te re miaramila nanapaka ny tadin'ny lakagna kai namela zagny ho rendrika.33Kôfa nanomboka nihanazava ny andro, de namporisika anjaré jiaby Paoly mbô halaka hanigna maromaro. Aoziny hoe: "Itô andro itô ny andro faha-efatra ambiny fôlo zay digniasanaré ary tsy hihinagnanaré; tsy nihinagna na ino na ino anaré. 34Noho zagny de mamporisika anaré zaho mbô hahavelogna anaré. Fô tsy hisy na raika aminaré zay ho very na de singam-boron-dôhany aza." 35Kôfa avy nivôlagna anjany izy, de nalaka môfo ary nisaotra an'Andriamanitra tamason'ôlo jiaby. Avy te izy nirasarasa ny môfo ary nanomboka nihinagna.36Avy te de nahery zaré jiaby ary nalaka hanigna koa. 37Ôlogna 276 zahay no tagnaty sambo. 38Kôfa nihinagna tsara zaré, de nohamaivaninjaré ny sambo tamin'ny nagnarianjaré re vary tagnaty ranomasigna.39Kôfa tônga ny andro, de tsy fantanjaré lay tany, fô nahita helon-drano raika nisy tora-pasika zaré, ary nifandinika zaré kô afaka hitôndra ny sambo tagny. 40Kai nitapahinjaré re vatofantsika ary navailanjaré tagny an-dranomasigna. Niaraka taminigny de nalatsanjaré ny tady tamin'ny familiagna ary natsangany ny lay ho amin'ny rivotra; ary de niroso nankeo amin'ny tora-pasika zaré. 41Fô tônga tamin'ny toairagna raika zay nisy ranomasigna nifanapaka zaré, kai nidona tamin'ny tany ny sambo. Ary lôhan-tsambo de niraikitra take ary nidôko tsy afa-nihetsika, fô ny vodintsambo ndraika nanomboka vaky nohon'ny herivaikan'ny onja.42Ny tetik're miaramila de ny hamono re gadra mbô tsy hisy aminjaré ho afaka andaiha hilomagno kai hilaifa. 43Fô lay kapiteny ti-hamonjy an'i Paoly, kai de nadokogny ny tetikanjaré; ary namiany beko re mahay milomagno mbô hilatsaka ivailan'ny sambo malôka ary ho agny an-tanety. 44Avy te tôkony hagnaraka ny ambin're lalahy, ny sanagny ambôny kakazo fisaka, ary ny sanagny ambôny raha hafa avy tamin'ny sambo. Karaha zagny no nitranga kai de tônga soa aman-tsara tagny an-tanety aby zahay.

Chapter 28

1Kôfa tônga somantsara zahay, de hainay fô lay tany de antsôvigna hoe Malta. 2Re tairantany de tsy nagnomia hatsaram-pagnahy tsotra taminay foagna, fô namelogna afo zaré ary nampandroso anay jiaby, nohon'ny ôragna mikija sy ny hatsiaka.3Fo kôfa nagnonkogna kitaigna kakazo sy namaitraka zagny te amin'ny afo Paoly, de nisy mainarana nivoaka nohon'ny hafanagna, ary nifatotra tamin'ny tagnany. 4Kôfa nahita lay biby nihantogna tamin'ny tagnany re terantany, de nifampiraisaka zaré hoe: ''Taigna mpamono ôlogna zay nilaifa avy tagny an-dranomasigna io lalahy io, raha ny rariny de tsy tôkony ho velogna izy."5Fô avy te nagnôzongôzogna lay biby ho agnaty afo izy naifa tsy naratra aby. 6Nandigny ananjy mbô azon-tazogna na ho foaty tampoka zaré. Fô kôfa avy nizaha ananjy maharitra zaré ary nahita fô tsy nisy raha tsy mahazatra nahazo ananjy, de niova hevitra zaré ary nivôlagna fô izy de andriamanitra.7Ary tamin'ny toairagna nariny te nisy re tany zay an'lay lalahy liben'ny nosy, lalahy antsôvina hoe Poplio. Nandray anay izy ary nagnomia hanigna anay tamin'ny hatsaram-pagnahy nandritry ny telo andro. 8Ny baban'i Poplio de azon-tazogna sy fivalanan-drà. Kôfa nankagny aminanjy Paoly, de nivavaka izy, namaitraka ny tagnany taminanjy, ary nampahivagna ananjy. 9Tafaran'ny nitranganjany, de nagnatogna ananjy aby ny ambin'ny vahoaka jiaby zay narary tamin'lay nosy ary nahivagna. 10Ny vahoaka koa de nagnomia voninahitra anay tamin'ny voninahitra maro. Ary kôfa niomagna andaiha hiantsambo zahay, de nagnomia anay zay nilainay zaré.11Afaka telo volagna zahay de nandaiha niondragna tamin'ny sambo zay nidôka tamin'lay nosy nandritry ny rirignina, sambon'i Aleksandria, misy "sarikamban'andriamanitra" talôhan'ny sambo 12ary kôfa tônga tamin'lay tanàgnan'i Sirakosa zahay, de nipaitraka tao nandritry ny telo andro.13Niala avy te zaihay no niantsambo kai tônga tagny amin'ny tanàgnan'i Regioma. Ary kôfa afaka andro raika de nisy rivotra nitsoka avy agny atsimo, kai roa andro zaihay de tônga tamin'ny tanàgnan'i Potioly. 14Tao no nahitanay re rahalahy sanagny ary nagnasa anay mbô hidôko hiaraka aminjaré mandritry ny fito andro. Tamin'ny alalan'zagny no nahatongavanay tagny Roma. 15Avy tagny re rahalahy, tafaran'ny nandrignaisan-jaré ny mômba anay, de tônga nitsaizanay hatragny amin'ny bazarin'i Apio sy re hotely telo. Kôfa nahita re rahalahy Paoly, de nisaotra an'Andriamanitra izy ary nahazo hery.16Kôfa niditra tao Roma zahay, de nahazo alalagna hiara-hiaigna amin're miaramila niambigna ananjy Paoly. 17Ary kôfa afaka telo andro tafaranjany de nampagnantso niaraka re lalahy zay mpitarika te amin're Jiosy re i Paoly. Kôfa niaraka tônga zaré, de nivôlagna taminjaré izy hoe: "A rahalahy, na de tsy nagnano raha ratsy tamin'ny ôlogna na fômban're razantsika aza zaho, de natôlotra ho voafonja tagny Jerosalema tan-tagnan'ny Romana. 18Kôfa avy nagnadihady anahy zaré, de nagniry ny hagnafaka anahy, satria tsisy antony tôkony hagnamilôhagna anahy ho foaty."19Fô kôfa nanôhitra ny fagnirianjaré ny Jiosy, de voatery zaho nagnantso an'i Kaisara, na de tsy kara hoe nitôndra fiampangagna hanôhitra ny firenegnako aza. 20Nohon'ny antsoko, de, nangataka ny hahita anaré sy hikoragna aminaré zaho. Zagny de nohon'ny fahatokisan'Israely mômba ny hamatôragna anahy amin'itô rojo itô."21Avy te de nivôlagna taminanjy zaré hoe: ''Tsy mbôla naharay re taratasy mômba anô avy agny Jodia zahay, na rahalahy tônga sy nitatitra na nivôlagna raha ratsy mômba anô. 22Fô tianay ho regny aminô ny eritreritranô mômba zagny sekta zagny, satria fantanay fô aifa ratsy laza amy toairagna jiaby zagny.''23Kôfa nisafidy andro ho ananjy zaré, de maro kokoa re ôlogna nagnantogna ananjy tagny amin'ny tragno nivahinianany. Nampahafantatra lay raharaha taminjaré izy, ary nijoro vavolombelogna mômban'ny fanjakan'Andriamanitra. Niaizaka nandresy lahatra ananjaré ny mômba an'i Jesosy izy, na tamin'ny alalan'i Mosesy zagny na tamin'ny alalan'ny mpaminagny, nanomboka mandraigna ka hatramin'ny hariva. 24Ny sanagny de resy lahatra tamin're raha zay voalaza, fô re hafa ndraika tsy nino.25Kôfa tsy nifagnaraka zaré, de lasagna tafaran'ny nagnambàran'i Paoly itô teny itô hoe: ''Ny Fagnahy Masigna de nivôlagna tsara re razanaré tamin'ny alalan'Isaia mpaminagny. 26Aoziny hoe: 'Mandihana agny amin're vahoaka re ary volagno hoe: ''Amin'ny fitandrignaisagna no handrignaisanaré, fô tsy hahatakatra; ary amin'ny fahitagna no hahitanaré, fô tsy hahita."27Fô nihadonto ny fon're ôlogna re, ary sarotra amin'ny tadigninjaré ny haregny, ary nagnakipy ny masony zaré. Fô kô tsy zagny de mety afaka hahita amin'ny masony zaré, ary haregny amin'ny tandigniny, sy hahatakatra amin'ny fony kai hierigna ndraiky, de hampahivagna anjaré Zaho."'28Noho zagny, tôkony ho fantanaré fô zagny famonjian'Andriamanitra zagny de nalaifa tamin're Jentilisy, ary hitandregny zaré." 29(Fagnamarihagna agny amin'ny farany ambanin'ny pejy: Asa28:29- Ny antontan-taratasy sanagny de managna ny andininy. 29 hoe: "Kôfa nivôlagna re raha re izy, de lasagna ny Jiosy. Nisy fifandiragna maventy taminjaré.")30Paoly de niaigna nandritry ny roa tôgna magninjitra tamin'ny tragnony nohofaigna manôkagna, ary nandray zay tônga taminanjy jiaby izy. 31Nagnambara ny fanjakan'Andriamanitra izy ary nampianatra re raha mômban'i Tompo Jesosy Kristy tamin'ny fahasahiagna jiaby. Ary tsisy nanakagna izy.

Romans

Chapter 1

1Paoly, mpanômpon'i Jesosy Kristy, dia vôahantso ho apôstôly, ary vôatôkagna ho mpitôry ny filazantsaran'Andriamanitra. 2Io lay filazantsara zègny èfa nampanantènaigny mialôha tamin'ny alalan'ire mpaminagny také amin'ny Soratra Masigny. 3Zègny dia mômban'ny Zanany lalahy, zègny tèraka avy amin'ny taranak'i Davida araka ny nôfo.4Tmin'ny fitanganagna tamin'ny maty, dia vôambara ho lay zanaka maherin'Andriamanitra tamin'ny hérin'ny Fagnahin'ny fahamasinagna Izy_dia Jesosy Kristy Tômpontsika. 5Tamin'ny alalany no nadraisantsika fahasoavagna sy ny maha-apôstôly amin'ny fankatoavagna ny finoagna take amin'ny firenegna jiaby, noho ny Agnarany. 6Amin'ire firenegna ire, anare foagna koa dia vôahantso ho an'i Jesosy Kristy.7Itô taratasy itô dia ho an'ire jiaby ako Roma, zègny mahain'Andriamanitra, zègny voahantso ho ôlo-masigny. Ho aminare anie ny fahasoavagna, sy fiadanagna avy amin'Andriamanitra Babantsika sy Jesosy Kristy Tompo.8Vôalohany, isôrako ny Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy noho ny aminare jiaby, satria ny finoagnanare dia èfa nambara magnèragna izô tôntolom izô. 9Fô Andriamanitra no vavolombelognako, zègny tompôko ako amin'ny fagnahiko ako amin'ny filazantsaran'ny Zanany' fô tsy mijanogno mikoragna anare Aminanjy Zaho. 10Mangataka foagna Zaho amin'ny vavaka atôko ny mbô ahombiazako amin'ny fômba jiaby araka ny sitrapôn'Andriamanitra mbô ho tônga aminare.11Fô zaho dia magniry ny ahita anare, mbô afahako magnomia fagnomiazam-pagnahy sasantsasany ho anare, mbô hampahery anare. 12Zègny, dia magniry Zaho ny mbô hifankaherèzantsika aketo ampivoahantsika, amin'ny alalan'ny finoagnan'ny tsiraikiraiky avy, ny anare sy ny zaho.13Aminjô tsy tiako anare tsy ahay, ry ralahy, hoe matetiky zaho no managna fikasagna hagnatogna anare, (nèfa Zaho dia voasakagna hatramin'jô), mbô hahazoagna vokatra ake aminare, karaha ny èfa nahazoako ny ambin'ire Jentilisa foagna koa. 14Zaho dia mpitrôsa amin'ire Grika sy ire vahiny, amin'ny hendry sy vaindragna. 15Noho jègny, aminahy, dia vonogna foagna koa zaho hitory ny filazantsara ho anare zègny agny Roma.16Fô zaho dia tsy mègnatra amin'ny filazantsara, fô zègny no herin'Andriamanitra ho famonjegna ire jiaby zègny mino, ho an'ny Jiosy alôha ary ho an'ny Grika. 17Fô amin'jègny no anehoagna ny fahamarinan'Andriamanitra avy amin'ny finoagna ho amin'ny finoagna, araka zègny voasôratra hoe: "Ny marigny dia ho velogno amin'ny finoagna."18Fô ny fahavigniran'Andriamanitra dia naseho avy agny an-dagnitra manohitra ny haratsiam-pagnahy sy ny tsy fahamarinagnan'ny ôlogno, zègny manakagna ny fahamarinagna amin'ny alalan'ny tsy fahamarinagna. 19Zègny dia satria zay fantatra momban'Andriamanitra dia hitan'jaré maso. Fô nohazavain'Andriamanitra zaré.20Fô ire endriny zay tsy hita maso, zay heriny tsy misy fètra sy maha-Andriamanitra Azy, dia hita nazava tsara, nanômboka tamin'ny famoronagna zô tontôlo zô, tamin'ire raha zay niforognona. Noho zègny dia tsy managna fialan-tsigny zare. 21Zègny dia satria, na dia èfa nahafantatra ny momban'Andriamanitra aza zare, dia tsy nagnome voninahitra amin'ny maha Andriamanitra Ana, na koa nisôratra Ananjy. Fô kôfa, lasa vaindragna tako an-tsaignany jare, ary nanomboko mahizigny ny fô donton'jare.22Zare dia nivolagna ananjy ire ho hendry, Kanèfa dia nahai-lasa vaindragna. 23Ny voninahitran'Andriamanitra tsy mety io dia natakalon'jare sarimitovy ôlombelogno mety io, vorogno, biby manan-tôngotro èfatra, sy ire raha mikisaka.24Nôho zègny dia natôlotr'Andriamanitra ho amin'ny filagnan'ny fôn'jare ho amin'ny fahalotoagna zare, mbô ho afa-bôninahitra ake amin'jare foagna ny tègnan'jare. 25Zare no nagnakalo ny fahamarignan'Andriamanitra tamin'ny lainga, ary zègny midèra sy manompo ny zava-bôary fô tsy lay Nahary, zay deraigny mandrakizay. Amen.26Nôho zègny, natôlotr'Andriamanitra ho amin'ny filan-dratsy mamôafady zare, fô ire vahiavin'jare dia nagnakalo ire fifankazahoagna voajagnahary tamin'jare zay tsy voajagnahary. 27Kara zègny koa, ire lalahy dia nagnambèla ny fifankazahoan'jare voajagnahary miaraka amin'ny vahiavy kè nampirihetin'ny filagna ara-nôfo ho angny izy samy izy. Ire dia lalahy zay nagnano fihetsiky mahamègnatra miaraka amin'ny lilahy ary nalaka tako amin'jare ny sazy zay magnèva ananjire nohon'ny fahavètavètagnan'jare.28Satria tsy nagneky ny hanagna an'Andriamanitra ako amin'ny fiheritreretany zare, dia nagnomia saigny tsy manjary zare, mbô hagnanovagna ire raha zègny tsy mety.29Zare dia feno ny tsy fahamarinagna, faharatsiagna, fitsiriritagna, ary lôlompô jiaby. Zare dia feno fialognana, famonoagna, fifandraisagna, fitaka, ary fikasagna ratsy. 30Zare dia mpifôsa, mpagnendrikendriky, ary mpankala an'Andriamanitra. Zare dia mahery fihetsiky, miavogno, ary mirèharèha. Zare dia mpamôrogno raha-ratsy, ary zare dia tsy magneky ny ray aman-dreniny. 31Zare dia tsy managna fahalalagna; zare dia tsy azo atokisagna tsisy fitiavagna voajagnahary, ary tsy mamindra fô.32Hain'jare ny lalàn'Andriamanitra, fô zare magnano raha karaha zègny dia magnèva ny fahafatésagna. Fô tsy ire raha ire foagna no atôny, fô magneky ire hafa zay magnano iregny koa.

Chapter 2

1Nohizègny tsy managna fialan-tsigny anà, ry ôlogno, anà zay mitsara, fô zay itsarano ny hafa no anamelohano ny tenino. Fa ano zay mitsara dia magnano ire ihany koa. 2Nefa ain-tantsika fô ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marigna kofa milavo amin'ire izègny magnano raha mitôvy ireo izègny.3Fô diniho izô, ry ôlogno, ano zègny mitsara ire izay magnano raha mitôvy ire na dia magnao karan-jare regny koza ano. Hilefa ny fitsaran'Andriamanitra mè ano? 4Sa hamavagnino ny herin'ny htsaram-pagnahiny, ny fandiferagna, ary faharetany? Tsy fantano me fô ny hatsramp-pagnahy dia natô hitarika ano amin'ny fibebahagna?5Fô izegny dia ho amin'ny halehiben'ny hamafy su tsy fibebahan'ny fônan-dre no andagnonan-dre ny havigniragna ho an'ny tegnan'andre amin'ny andro fahavigniraana, izègny dia, ny andron'ny famohagna ny fitsaragnan'Andriamanitra. 6Hamly ny ôlognno jiaby aminy fatra mitovy amin'ire natôny Izy: 7Hagnome araka ny faharetagna. ny asa tsara miharagna dera, voninahitra, ny tsy fahafatesagna, fiagnana mandrak'izay Izy.8Fô hoanare zegny miharagna ho an'ny tegnany manokana izegy tsy magnèky ny marigna fô magnèky ny tsy fahamarinagna,dia ho tônga ny fahavigniragna ndrèky fihozaragna. 9Andriamanitra dia hitôndra ny fahoriagna ndrèky fahantragna amin'ny fagnahn'ny ôlogno jiaby izègny magnano ratsiman-jary, amin'ny Jiosy aloha ary amin'ny Grika ihany koa.10Fô dera, laza, ary fiadanagna no hotônga amin'ire zegny magnano tsara, amin'ny Jiosy aloaha, ary amin'ny Grika ihany koa. 11Fa tsisy fiangaragna miaraka amin'Andriamanitra. 12Fô izegny manota tsy nanagna lalàgna dia ho very tsy managna lalagna ihany koa, ary izegny jiaby nanota niaraka tamin'ny fagnajana ny lalàgna. dia ho tsaraigna araka ny lalàgna.13Fa tsy ire mpitandregny lalàgna no marigna agnatrehan'Andriamanitra, fa ire izegny mampihatra ny lalagna no nohamarinigna. 14Fô ire jentilisa, ize tsy managna ny lalàgna, rà magnano ny zavatra ambon'ny lalàgna araka ny vaojagnahary, dia zare no lalàgna an'ny tegnany, na dia tsy managna ny lalàgna zare.15Amin-jegny no anehoan'izireo fô ny asa angatahin'ny lalàgna dia vôsôratra ako am-pon-jare.Ny fieritretan-jare indraiaka koa diavavolombelognan-jare re,ary fisaignan-jare re manokagna na magnameloko na miaro anjare amin'ny tegnan-jare 16ary kao amin'Andriamanitra. Izegny dia hitranga amin'ny fotoagna hitsaran'Andriamanitra ire tsiamaratelon'ny olojiaby, araka ny filazantsarako, amin'ny alaln'i Jesosy Kristy.17Fô koa Jiosy no hiantsoagna ny tegnano ary miankigna amin'ny lalàgna sy mirehareha ao amin'Andriamanitra, 18ary izikoa mahaklala ny sitrapony sy mamantatra zegny raha tsara indrindra satria namianarigna tamin'ny lalàgna ano; 19izi koa resy lahatra ano fo nny tegnano no mitarika jamba, fahazavagna hoanjare agnomezagna, 20mapagnitsy ny adala mpampianatra ny zaza madinika izegny anagnano akô amin'ny lalàgna ny endriky ny fahalalagna ndraiky ny marigna, dia karakory zegny no fiantraikan'izegny amin'ny fomba hiaignano ny fiaigano?21Kè ano zegny mampianatra iré sasany, tsy mampiantra ny. tegnano mo ano? Ano zegny mitory manohohitran'ny halatra, mangalatra môa ano? 22zegny mivolagna fa tsy tokony hijangajanga, mijangajanga môa ano? Ano zegny mankahala ny sampy mandrôbaka ny iré tempoly môa anõ?23Ano zegny faly mirehareha ako amin'ny lalàgna magnalabarakan'Andriamanitra môa ano amin'ny fandiakano ny lalàgna io? 24Fô ''ny agnaran'Andriamanitra dia efa afabaraka teke amin-jare Jentilisa no anaré,'' arak izegny efa vôsôratara.25 Fô mahazo antombony amin'ny famoragna tokoa, anare izy mankato ny lalàgna, fô raha mandika ny lalagna anan-dre, dia tonga tsy voafora na dia efa voafora aza anan-dre. 26Arak'izegny izy koa ôlogna tsy voafora no mitandrigna izegny takin'ny lalagna, tsy ato ho agnisany voafora va izy na dia tsy voafora aza? 27Ary tsy ho melohiny lay raika izay tsy mifora ara-boajagnahary môa anan-dre izikoa kè mitandrigna ny lalagna izy ? Izegny de fa managna ny lalagna vosoratra ndraiky famoradna anan-dre, nefa mbola mandika ny lalagna!28Fô izy dia tsy Jiosy amin'ny endrika ivelany fotsiny; na amain'ny famoragna zegny misehi amin'ny endriak ivelan'ny nofo fotsiny. 29Fô Jiosy ako agnatiny ako, ary ny famoragna izay amin'ny nofo ao amin'ny Fagnahy, fa tsy ako amin'ny sôratra. Ny fideragna ny ôlogna karan-jegny de tsy avy amin'ny ôlogna fa avy amin'Andriamanitra.
Chapter 3

1Kè ino mbo mô zegny tombotsoan'ny anagnany Jesosy sady ino mô tombontsoan'ny famoragna?2tsara izegny amin'ny fomba jiaby .Voa voalohagny indrindra ny fagnambarana avy amin'Andriamanitra.3Fô raha tsy nanampinôagna zaré Jiosy sanany? Ny tsifinoanjare nõ hahatônga ny fahatokin'Andriamanitra tsy ho tanteraka? 4Tsy hisy mihintsy né izegny.fô kôza, ambela ho hita fô marigna Andriamanitra, nade mpandainga aza ny ôlogno tsirairay.Araka ny vôsoratra hoe:"ho aseho amin'ny teny naré fô olo-marigna anaré ary aboaka izy koa tônga amin'ny fitsaragna anaré."5Fô raha toa ny tsy fahamarinantsika no maneho ny fahamarinan'Andriamanitra, ino no azotsika ho volagnina? Afaka magnambara ve antsika fô tsy marigna Andriamanitra amin'ny famoahany ny havignirany amitsika, sa izegny? (mampiasa lahatenin'ôlombelona aho.) 6Tsisy anizegny mihintsy! Satria amin'ny fômba karakory no hitsaran'Andriamanitra an'izô tontolo izô?7Fô ratoa ny fahamarinan'Andriamanitra ka magnamia fiderana maro ho Anajy amin'ny alalan'ny laingako,de nagnino zaho no mbôla ho tsaraina ho mpanota? 8Fô nagnino no tsy mivolgna,araka ny tatitra diso izegny ambara fô volagnitsika,ary koa araky ny hamafisin'sasny fô nivolagnitsika hoe:"ambila zahé hagnano ratsy,mbô hiavian'ny tsara"? rarigny ny fitsarana hatô amin-jare.9Ké ino ary? Magnamia rariny ny tegnantsika mè antsika? Tsy izany mihintsy.Fô antsika dia efa nagnameloka ny jiosy siny Girika, izy jiaby,ho mpanota. 10Izegny dia araky ny vôsoratra hoe: "Tsy misy ôlo-marigna, na dia araika aza.11Tsisy na raika aza mahafantatara. Tsisy na raika aza mizaha an'Andriamanitra. Lasa nikisaka tokoa izy jiaby. 12Lasa tsisy lay izy jiaby. Tsisy mbo magnano ny tsara,tsy misy,na dia raika monja.13Ny tendan -jare dia misokatra. Niy lelan -jare dia ako ambanin'ny molotran-jare.Ny poizin-jare bibilava dia ako ambanin'ny molotran-jare. 14 Ny vavan-jare dia feno hozona sy lolom-po.15Ny tongon-jare dia havagnana amin'ny fandatshan-dra. 16Ny fanimbagna sy ny fijaliagna dia eny amn'ny lalan-jare. 17Iregny ologna iregny dia tsy nahafantatra ny lalan'ny fiadanagna. 18Tsy mbo misy tahotran'Andriamanitra raha eo anoloan'ny mason-jareo''19Avahizo dia fantatsika fô na ino na ino ambaran'ny lalàgna, dia maiantefa agny aminan-jare izègny ambany lalàgna. Izegny dia mbô hatônga ny vavan'ny tsiraikaraika angigna, mbô hahazo valiny avy amin'Andriamanitra izô tontolo izô. 20Izegny dia satria tsisy nofotra hhahamarigna amin'ny asan'ny lalàgna eo amasony. Fô amin'ny alalan'ny lalàgna no mahatonga fahafantaragna ny fahotagna.21Fô avahizo dia nampahafantarigna ihaany koa ny fahamarinan'Andriamanitra tsy amin'ny lalàgna. Noporofoin'ny lalàgna sy ire mpaminagny, 22fô izegny, no fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoagna an'i Jesosy Kristy ho an'izay jiaby mino. Satria tsisy fanavahagna.23Fô nagnota ny ologna jiaby kè tsy managna ny vaninahitr'Andriamanitra, 24ary zare dia hamarinigna mèmèpoagna amin'ny fahasoavan'ny amin'ny alalan'ny fagnavôtagna izay ako amin'i Kristy Jesosy.25Fô Andriamanitra nagnamia an'i Kristy Jesosy ho fagantitra amin'ny alalan'ny finoagna ny ràny. Natondrony ho porofon'ny fahamarinany Kristy, naohon'ny tsy fizahavany ota talôha tagny 26amin'ny fahadignesany. Nitranaga izegny raha jiaby izegny ho fampisehoagna ny fahamarinagna amin'izô tontolo avahizo izô. Izegny dia mbô hafahany manaporofo fa marigna ny tegnany, ary mbô hanehoagna fa Izy dia manamarigna ny jiaby noho ny finoagna an'i Jesosy.27Akèza ary izegny ny fireharehagna? Vôfafa izegny. Fa ino no antony? Amin'ny asa va? Tsia, fô nohon'ny finoagna. 28Manapa-kevitra izegny antsika fô ny ôlogno araiky dia hamarinigna araka ny finoagna tsisy ire asan'ny lalàgna.29Sa Andriamanitry ny Jiosy araika foagna mè Andriamanitra? Sa mè tsy Andriamanitr'ire Jentilisa kao Izy? Ya, an'ny Jentilisa kao. 30Raha,raika tokoa Andriamanitra,dia ho hahamarinin'ny amin'ny finoagna ire vofôra, ary ire tsy vofora koza amin'ny lalan'ny finoagna.31Foagnantsika amina'ny alalany finoagna zegny mè ny lalàgna? Tsisy anjègny mitsy e! Fô izindreky, mankato ny lalàgna antsika.
Chapter 4

1Inoô kè ny vôlaza-ntsika fô hitan' i Abahama, baba-ntsika tany alôha araka ny nôfo? . 2 Fô ràha nohamariningna tamin' ny asa Abrahama, de nanagna antony ireharehana izy, nefa tsy aké agnatrehana' Andriamanitra. 3Fô inô no volangnin' ny Soratra Masina? " Abrahama de nino an' Andriamanitra, nisaigna ho fahamarinagna zegny."4Kè ho an' jègny miasa, ny karamany de tsy isaigna ho fahasoavana, fô ho karaha jègny trôsa.5 Fô ho an' jègny tsy miasa kôza nefa mino an' Ilay jègny magnamarigna ny mpanipaka an' Andriamanitra, de isaigna ho fahamarignana ny finoagny.6Davida fô kôha de manognona tso-drano amin' ny ôlo jègny isain' Andriamanitra ho marigna nefa tsy miasa.7 Nivôlagna fô: " Sambatra ire zay voavela ny helony, kè koa ire zay voasarona ny fahotagny.8 Sambatra jègny tsy hisain' ny Tompo heloka."9Amin-dre voafôra fôgna môa no hanognonagna jègny tso-drano zègny, sa amin-dre ty voafôra kôha? Fô ahozy antsika fô: "Ny finoagna de nisain' Abrahama ho fahamarinagna."10Kè Karakôry no nanisagna jègny? Tamin' i Abrahama èfa voafôra, sa tamin'izy tsy mbôla voafôra? Tsy tamin'izy efa voafôra fô tamin' izy mbôla tsy voafôra.11Abrahama de nahazo ny famantaran' ny famoragna. zègny de marika ny fahamarignan' ny finoagna jègny efa nanagnany kô mbôla tsy voafora izy. Ny valin' jègny famantaragna zègny de nanjary baban' zègny mino jiaby izy, na de mbôla tsy voafora aza zare. Midika zègny fô ny fahamarinagna de hisaigna ho anjare.12 Midika koa zegny fô Abrahama nanjary baban' ny voafora tsy ho an'ire zègny tsy voafôra fôgnä fô ho an'ire zègny miraidia amin'ny dian' ny finoan' i Abrahama babantsika koa talôhan 'ny tsy mbôla naha-voafora ananjy.13Fô ny fampanantenagna tamin' ny Abrahama ndraiky taranany de mpandôva zao tontolo izao izy tsy avy amin'ny alalan' ny lalàgna fô avy amin'ny alalan' ny fahamarinan' ny finoagna. 14Fô kô zègny miaigna amin' ny lalàgna ny mpandôva, de ho foagna, sady ts'isy dikany ny fampanantenagna. 15Satria ny didy de mitôndra amin'ny fahavigniragna, fô agny amin'zègny tsisy lalàgna, de tsisy fandikan-dalàgna.16Noho izagny antony zègny de miseho amin'ny finoagna zegny mbô hianteran' ny fampanantenagna amin' ny fahasoavagna kè ho azo antoka amin' ire taranak' i Abrahama jiaby_ tsy ho an' ire jegny ambanin' ny lalàgna, fô ho an' ire jegny mizara ny finoagnan' i Abrahama fô koha. Babantsika jiaby izy, araka ny voasoratra fô:17 " Natôko ho baban' ny firenena fontry anô." Take amin' ny fagnatrehan' Ilay nitokiany Abrahama, de, Andriamanitra zegny, izay magnamia fiainagna ire maty kè miantso ire raha tsy mbôla misy mbô hisy.18Na de take aza ire raha nitranga ivelany, de natoky tanteraka an' Andriamanitra i Abrahama amin' ny ho avy. Ke tônga baban' ny firenena fontry izy, araka izay efa novolagnina fô: " Ho karaha zegny ny taranakao."19 Tsy ôsa tamin'ny finoagna izy. Hain' i Abrahama fô tsy afaka ny hanan-janaka izy ( Satria efa také amin' ny zato tôgna také izy ). Nagneky fô koha izy fe ny kibon' i Sahara de tsy afaka hitôndra kibo kôza.20Nèfa avy amin'ny fampagnantenagnan' Andriamanitra, de tsy nihanahana tamin' ny tsy finoagna i Abrahama. Fô kôza, nahè-nahery tamin'ny finoagna izy sady nidèra an' Andriamanitra.21 Resy lahatra tantèraka izy fô zègny nampagnantègnan 'Andriamanitra, de afaka tantirahiny fôgna koha. 22Avy amin' jègny de nisaigna ho fahamarinagna zègny.Kè tsy nisoratagna ho an'ny tombotsoany Izy raika fôgnä zègny, fô nisaigna ho ananjy. Nisoratagna ho antsika koha zègny antsika zègny mino ananjy, zègny nananganagna an' i Jesosy tompontsika tamin' ny maty.Izy ilay Tôkagna natôlotro avy tamin'ny fahotantsika kè nantsangagna mbô hagnamarigna antsika
Chapter 5

1Satria nohamarinigna tamin'ny finoagna antsika, de managna fiadanagna miaraka amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Tompontsika Jesosy Kristy. 2Amin'ny alalany fôgna koà anagnantsika lalagna amin'ny finoagna mandèha amin-jègny fahasoavagna zègny ijoroantsika zègny. Miravoravo amin' ny fahatokiagna amin'Andriamanitra anay amin' ny ho avy zahay, fahatokiagna zègny zaraintsika akô amin'ny voninahitr' Andriamanitra.3Tsy amin-jègny fôgna, fô amin-zègny mifaly amin'ny fahoriagnantsika. Fatantsika fô ny fahoriagna de mahatonga faharètagna.4 Ny faharètagna mitèraka fankatoavagna, fankatoavagna mitèraka fahatokiagna ho amin'ny ho avy. 5Zègny toky zègny de tsy mandiso fanantenagna, satria ny fitiavan' Andriamanitra de efa nilatsaka tagnaty fô- ntsika tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina, zègny namiagna antsika.6Fô kô mbôla nalemy antsika, de maty tamin'ny fotoagnany ho an'ny tsy tsara fagnahy i Kristy. 7Fô tsy môra ho an'ny ôlo raiky ny ho diso ho an'ny ôlo marigna. Fô, dôgnoko mety misy ôlo raiky saky ho diso ho an'ny ôlogno tsara.8Fô Andriamanitra maneho fitiavany manôkagna ho antsika, satria kô mbôla mpanota antsika, de diso ho antsika i Kristy. 9Mihoatra lavitra anjègny aza, avaizo. Kôfa hohamarinigna tamin'ny ràny antsika, de voavonjin-jegny amin'ny fahavigniran' Andriamanitra.10Fô kô, mbôla fahavalo antsika, de nihavagna tamin' Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fahafatesan'ny Zanany, mihoatra jègny, kôfa avy nampihavanina, de ho voavonjy amin'ny alalan'ny tègnany antsika.11 Ary ty zegny fôgna fô antsika koa de mifaly ao amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Tompontsika Jesosy Kristy, zay nazahoantsika zagny avaizo.12Avy amin-jegny de, karaha nitsofôran'ny ota tamin'ny ôlo raiky tamin'izao tontolo izao, de karan-jegny koa nitsofôran'ny fahafatesagna tamin'ny alalan'ny ota. Ké ny fahafatesana de nateky tamin'ny olongo jiaby, satria samby nanota jiaby izy jiaby. 13Nandra-pisian'ny lalàgna, de taketo amin'izao tontolo izao ny ota, fô tsisy heloka kô tsisy lalàgna.14Nefa na de zegny aza, ny fahafatesagna de nanjaka nitetry tamin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na de tamin'zegny tsy nanota karaha tsy nankatoavan'i Adama tandindogn'le ho avy. 15Nefa na de zegny aza, ny fagnomiazana de tsy mitovy amin'ny fahadisoagna. Fô kô tamin'ny alalan'ny fahadisoagnan'raiky nahafaty ny maro, de mihostra lavitra an-jegny ny fahasoavan'Andriamanitra ndraiky fanomiazagna avy amin'ny fahasoavan'Ilay ôlo raiky, Jesosy Kristy, namiagna fôntsy ho an'ny maro.16Fô ny fanomiazagna de tsy karaha vôkatra avy amin'ny raiky zegny nanota. Fô amin'ny lafiny raiky, tônga ny fitsaragna ndraiky fanamelohagna avy amin'ny fahadisoagnan'ôlon-draiky. Fô amin'ny lafiny raiky hafa, ny fanomizagna miafara amin'ny fahamarinagna de tonga tafaran'ny fahadisoagna maro. 17Fô kô, tamin'ny alalan'ny fahadisoagnan'raiky, no hanjakan'ny fahafatesagna amin'ny raiky, de mihoatra lavitran-jegny ho anjengy magneky haben'ny fahasoavagna ndraiky fagnomiazan'ny fahamarinagna amin'ny alalan'ny fiainan'lay raiky, de Jesosy Kristy.18Avy amin-jegny, satria tamin'ny alalan'ny fahadisoagnan'raiky no nahatônga ny ôlogna ho amin'ny ho amin'ny fagnamelohagna, de amin'ny alalan'ny asan'ny fahamarinagnan'ny raiky koa nahatongavany fahamarinagna ho an'ny ôlo jiaby.19 Fô satria avy amin'ny fankatoavan'ny ôlo raiky nahatônga ny maro ho mpanota, de amin'ny alalan'ny fankatoavan'ny raiky no nahatônga ny ôlogno ho marigna.20Fô tôna tamin-jegny ny lalàgna, mbô ho maventy ny fahadisoagna. Nefa kô nahénaventy ny fahotagna, de vao maika nahénaventy ny fahasoavagna. 21Nitranga zègny mbô, karaha nanjakan'ny fahotagna tamin'ny fahafatesagna, de karan-jegny koa hanjakan'ny fahasoavagna amin'ny alalan'ny fahamarinagna ho amin'ny fiainagna mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Chapter 6

1Ino ary no volagniko? Tokony hanohy amin'ny fahotagna ve antsika mbo hitomagny fahasoavagna? 2Tsy hoisy mihitsy anèfa izegny. antsika zegny maty amin'ota amin'ny fomba karakory moa no mbola hiaignantsika amin'izegn kao? Tsy fantanan-dre moa fo zare jiaby nagnano batisa tamin'i Kristy Jesosy dia nagnano batisa tmin'ny 3fahafatesagna?4Koa, voalevigna, niaraka taminy alalan'ny batisa ho amin'ny fahafatesagna antsika. Nitranga izegny mbo ho karanny nanaganagana an' i Kristy tamin'ny maty tamin'ny vonahitra ny Ray, no andihanantsiaka amin'ny fiaignam-bovo ihany koa. 5Fa raha mitambatra Aminy amin'ny endrika ny fahafatesagna, antsika, dia hitambatra amin'ny fitsanganagna ihany koa.6Hantsika zègny, fô ny tègnantsika talôha dia nofantsihigny niaraka taminanjy, mbô hamotèhagna ny tègnan'ny ota. Nitranga zègny mbô ho andevozin'ny ota intsony antsika. 7Izy zay maty dia nambara fô marigna sady afaka amin'ny fahotagna.8Fô koa maty niaraka tamin'i Kristy antska, dia mino fô hiara-velogna Aminanjy foagna koa. 9Antsika dia mahay fô nitasngagna tamin'ny maty Kristy, ary tsy maty kôza Izy. Tsy manjaka Aminanjy kôza ny fahafatèsagna.10Fô koa ny mômba ny fahafatèsagna dia maty nohon'ny amin'ny fahotagna Izy, maty ndray mandèha ho an'ny jiaby Izy. Kanèfa, ny fiainagna zay hivilômany dia iainany ho an'Andriamanitra. 11Dia karaha zègny, tsy maintsy mihevitra ny tègnanare ho èfa maty amin'ny fahotagna foagna koa anare, fô velogno ho an'Andriamanitra ako amin'i Kristy Jesosy.12Noho izègny aza avèla hanjaka ako amin'ny tègnanare mety maty ny ota mbô hagnarahanare ny filàn-dratsy. 13Aza atôlotro ho an'ny fahotagna ny ratasm-batanare, ho fitôvagna ampiasaigny amin'ny tsy tègnanare, kara ny nitsangagna tamin'ny maty zay velogno avahizo. Ary atôlotro ho an'Andriamanitra ny rantsam-batanare mbô ho fitôvagna ampiasaigny amin'ny fahamarinagna. 14Aza avèla hanjaka aminare ny ota. Satria tsy ambanin'ny lalàgna anare, fô ambanin'ny fahasôavagna.15Kè ino ary? Tôkony hanota mo antsika tsy ambanin'ny lalàgna, fô ambanin'ny fahasoavagna? Tsô hoisy mihitsy nay zègny. 16Tsy hainare mo fô lay ray zay anôloranare ny tègnanare ho mpanompo dia lay ray zay ho hankatoavinare, lay hagny tsy maintsy hankatoavinare? Marigna zègny na mpanompon'ny fahotagna zay mitôndra agny amin'ny fahafatèsagna anare, na mpanompon'ny fankatoavagna zay mitôndra agny amin'ny fahamarinagna.17Fô isôragna Andriamanitra! Satria èfa mpanômpon'ny fahotagna anare, Kanèfa nagneky tako am-pônare ny fômba fampianaragna zay namia nare. 18Nafahagna tamin'ny ota nare, ary natô mpanompon'ny fahamarinagna.19Mivolagna karaha ny ôlogno zaho noho ny fahalemen'ny nofonare. Satria vantany vo nanolotra ny ratsam-batanare ho andevon'ny fahalotoagna sy ny ratsy anare, dia karaha zègny koa zo, atolotro ho andevon'ny fahamarinagna ho amin'ny fahamasinagna ny ratsam-batanare. 20Fô fôny anare andevon'ny ota, dia afaka tamin'ny fahamarinagna. 21Amin'jô, ano ary no vôkatra azonare tamin'ire raha zay mahamègnatra anare avahizo? Satria ny vokatr'iregny raha iregny dia ny fahafatèsagna22Fô avahizo kofa nafahagna tamin'ny ota anare ary tônga mpanômpon'Andriamanitra, dia mijinja ny fahamasinagna. Ny vokatra dia ny fiainagna mandravizay. 23Fô ny tambin'ny ota dia fahafatèsagna, fô ny fagnomiazagnan'Andriamanitra kosa dia ny fiaigna mandrakizay ako amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

Chapter 7

1Sô tsy hainare, ry ralahy (satrià mikoragna amin'ny ôlogno mahay ny mômba ny lalàgna zah), fô ny lalàgna dia magnasa ny ôlogno araiky koa mbôla vélogno koa izy?2Fô ny vahiavy zègny manamabady dia voafatotro ny lalàgna amin'ny vadiny koa mbôla velogno izy, fô koa maty lay vadiny, dia afaka amin'ny lalàgnan'ny fanambadiagna izy. 3Noho jègny, koa mbôla velogno ny vadiny, koa tô kè miaraka amina lalahy afa izy, dia ho antsogna hoe mpijangajanga izy. Fô koa maty lay vadiny, dia afaka amin'ny lalàgna izy, kè tsy mpijangajanga izy koa tô kè miaraka amina lalahy hafa.4Noho zègny, ry ralahiko, dia natô maty tamin'ny lalàgna foagna koa anaré tamin'ny alalan'ny tègnan'i Kristy. Natô zègny mbô hikambananare amin'ny hafa, zègny hoe, amin'Anjy zay natsangagna tamin'ny maty, mbô hafahantsika mamôkatra vo ho an'Andriamanitra. 5Fô tamintsika tô amin'ny nôfo, iré filàn'ny fahatanoragna, zay nahetsikin'ny lalàgna, dia naisa tô amin'ire rantsantsika mbô hamôkatra vo ho an'ny fahafatèsagna.6Fô avaizo dia nahafahagna tamin'ny lalàgna antsika. Maty tamin'ilay namatotra antsiaka isika. Izègny dia mbô hafahantsika manômpo amin'ny havozoam-pagnahy, fô tsy amin'ny fahatèran'ny sôratra.7Ino ary no ho volagnintsika? Ny lalàgna mahintsy mè ny fahotagna? Tso hisy anjagny mitsy. Nèfa, tsy ho nahay ny fahotagna mahitsy zaho, koa tsy tamin'ny alalan'ny lalàgna zègny. Fô tsy ho nahay ny fitsiriritangna zaho koa tsy ny lalàgna nivolagna hoe: "Aza mitsiriritry." 8Fô nalaka vahagna tamin'ny didy ny fahotagna kè nahatônga ny fitsiriritagna jiaby akato aminahy. Fô koa tsisy ny lalàgna, dia maty ny ota.9Talôha zaho dia vélogno tsisy lalàgna, fô kofa tônga ny didy, dai vélogno ndraiky koa ny ota, kè maty zaho. 10Ny didy zay tôkony hitôndra fiainagna no nivadiky ho fahafatèsagna ho anahy.11Fô ny fahotagna dai nalaka vahagna tamin'ny alalan'ny didy kè manitaka zaho. Tamin'ny alalan'ny didy no namoanoany zaho. 12Noho zègny ny lalàgna dia masigny, ary ny didy dia masigny, marigna, ary tsara.13Kè nivadiky ho fahafatèsagna ho anahy mè izègny tsara? Tsisy anjagny mitsy. Fô ny ota, mbô hafahany hiseho ho fahotagna amin'ny alalan'izay tsra, dia nitôndra fahafatèsagna taminahy. Izègny dia mbô ho amin'ny alalan'ny didy, ny fahotagna dia mety ho tônga tègna fahotagna tokoatra. 14Fô haintsika fô ara-pagnahy ny lalàgna, fô zaho avy amin'ny nôfotro. Èfa nambidy ho ako ambanin'ny fagnandivozagnan'ny ota zaho.1516Fô ny raha atôko, dia tsy tègna azoko tsara. Satria zègny tiako atô, dia tsy atôko, fô zay halako, dia atôko. Fô koa magnano zay tsy tiako zaho, dia mitôvy hevitry amin'ny lalàgna fô tsara ny lalàgna17Fô avahizo dia tsy izaho intsony no izegny fa ny fahotagna ize velo na ato agnatiko. 18Fô fantako fa ato aminahy, izay akato amin'ny nofoko, dia tsisy raha tsara amina. Fa ny fagniriagna ny tsara di akato aminahy saingy tsy afaka magnano.19Fô ny tsra izey tiako dia ts atoko, fô ny ratsy ize tsy tiko no atôko. 20Ary raha magnano ize tsy tiako ato zaho, dia tsy izaho intdony no miasa, fa koza ny fahotagna izay miaigna akato aminahy. 21Ary , izahi koza nahita, ny fitsipika akato fa te hagnano ize tsra zaho saingy ny ratsy no akato aminahy zô.22Fô miravoravo ako amin'ny lalaan'Andriamanitra amin'ny fagnahy maha ôlogna. 23Kanefa mahita fitsipika miady amin-jegny fitsipika vaovao ako antsaignako izegny. Mitagna zaho ho babon'ny fitsipika ny fahotagna ize ako makasika amin'ny tegnako izegny.24ôlo mahantra zaho! izo no hangala zaho amin'ity tenan'ny fahafatesagna ity? 25Fô isoragna Andriamanitra amin'ny alalan' i Jesosy Kristy Tompontsika! Nohizany, zaho dia manompo ny lalan'Andriamanitra amin'ny saignako. Na dia izegny aza, dia manompo ny fitsipikin'ny fahotagna amin'ny nofo zaho.

Chapter 8

1Avy amin'jègny dia tsisy fagnamelôhagna kôza iniany ho anandre zègny akô amin'i Kristy Jesosy. 2Fô lalàgnan'ny Fagnahin'ny fiainagna ako amin'i Jesosy Kristy no nagnafaka anah tamin'ny fahotagna ndraiky fahafatèsagna3Fô zègny tsy afaka naton'ny lalàgna nohon'ny fahalemen-jegny tamin'ny nofotro dia natôn'Andriamanitra nadèfa ny zanany lahy tôkagna Izy tamin'ny endrika ny nôfotro fahotagna mbô fagantitra ho an'ny ota sady nagnameloko ny ota takô amin'ny nôfotro izy. 4Natôny zègny mbô ho tantèraka akô agnatintsika ny raha tadiavin'ny lalàgna, antsika zègny tsy mandèha araka ny nôfo fô araka ny fagnahy. 5Iré zègny miaigny araka ny nôfo dia mandaligna ny zègny raha araka ny nôfo zègny velogno araka ny Fagnahy dia mandaligna ny zègny raha araka ny fagnahy.6Stria fandalignana araka ny nôfo dia fahafatèsagna fô fandalignana araka ny fagnahy kôza dia fiaignana ndraiky fiadanagna. 7Ny fisaignana miorigna amin'ny nôfo dia fandrafiagna agnatrèhan'Andriamanitra zègny, sady tsy hainy aby magnäno an-jègny. 8Iré zègny akô amin'ny nôfo dia tsy afaka ny ho ankasitrahan'Andriamanitra.9Kanèfa, anare dia tsy akô amin'ny nôfo fô akô amin'ny Fagnahy, koa marigna fô miaigna akô aminaré ny FagnahinAndriamanitra. Fô koa misy ôlogno tsy managna ny Fagnahin'i Kristy, dia tsy Ananjy izy. 10Koa ako aminare Kristy, dia maty nohon'ny fahotagna ny vatagna, fô ny fagnahy dia velogno nohon'ny fahamarinagna.11Koa ny Fagnahin'ilay nanangagna an'i Jesosy tamin'ny maty no velogna ako aminare, dia Izy zay nanangagna an'i Kkristy tamin'ny maty no hagnomia fiainagna foagna koa ho an'ny tègnanare zegny mety amin'ny alalan'ny Fagnahiny, zay velogno ako aminare.12Noho izègny, ry ralahy, dia mpitrôsa antsika, fô tsy ako amin'ny nôfo mbô hiaigna araka ny nôfo. 13Fô koa miaigny araka ny nôfo anare, dia ho foaty, fô koa amin'ny Fagnahy zay amonoanare ny asan'ny tègna, dia ho velogna anare.14Fô karaha ire jiaby voatariky ny Fgnahin'Andriamanitra, zare ré no zanak'Andriamanitra. 15Fô tsy nalaka ny fagnahin'ny fagnadivozagna ndraiky anare kè hatahotro. Fô kofa, nalaka ny Fagnahin'ny fananganan-janaka anare, zay hagnantsovantsovantsika hoe: "Aba, Rayô!"16Ny Fagnahy mihitsy no vavolombelogno amin'ny fagnahintsika fô zanak'Andriamanitra antsika. 17Koa zanaka antsika, dia mpandôva foagna koa, mpandôva an'Andriamanitra. Ary mpiray lôva ako amin'i Kristy antsika, koa tègna mijaly miaraka Aminanjy tokoa antsika dia amiam-boninahitra miaraka Aminamjy koa.18Fô atôko fô ire fijaliagna amin'jô fotoagna zô dia tsy mendriky ampitovigny amin'ilay voninahitry zay ho avoaka amintsika. 19Fô ny raha jiaby zô magnatègna fatratra dia mandigny ny fampisehogna ire zanak'Andriamanitra.20Fô ny raha dia natô ho zava-poagna, tsy nôhon'ny sitrapôny manôkagna, fô nôho lay nagnano zègny. Izègny dia akô amin'ilay toky namiagna 21fô iré raha mihitsy no ho alagna amin'ny fagnadevozagnan'ny fandraraka, ary hitôndra agny amin'ny fahafahagna ny amin'ny voninahitry ny zanak'Andriamanitra zègny. 22Fô haintsika fô ny raha jiaby dia miara-misento sy miara-miasa ako agnatin'ny fagnatènagna na avahizo aza.23Tsy zègny foagna, fô na ny tègnantsika aza, zay managna ny voalôham-bokatry ny Fagnahy_ na ny tègnantsika aza dia miboaka ako agnatintsika, mandigny ny fananganagna antsika ho zanaka, dia ny fagnavôtagna ny tègnantsika. 24Fô tamin'jègny toky zègny no namonjiagna antsika. Fô zay atokisantsika fô hitranga dia mbôla tsy hita, fô izôvy no mandigny am-patokiagna zay èfa hitany? 25Fô koa matôky amin'izay mbôla tsy hitantsika antsika, dia mandigny zègny am-paharètagna.26Karaha zègny koa, ny Fagnahy dia magnampy ako amin'ny fahalementsika. Fô antsika tsy mahay zèy vavaka tokony atôntsika, fô ny Fagnahy mihitsy no mifôgna ho antsika amin'ny fisententoagna tsy hèy koragniny. 27Izy zèy mandiniky ny fô no mahafantatra ny hevitry ny Fagnahy, satria Izy no mifogna ho an'ny mpino araka ny sitrapôn'Andriamanitra.28Haintsika fô an'jare zèy tia an'Andriamanitra, dia miaraka ampiasaigny ho amin'ny tsara jiaby ny raha jiaby, ([fanamarihagna: Koa tokony hoe " Miaraka ampiasaigny ho amin'ny tsara avokôa ny raha jiaby," dia ny dikan-koragna sasany talôha magnano hoe: "Ny raha jiaby dia miaraka miasa ho amin'ny tasra.a"]) ho an'iré zèy voahantso araka ny fandaharany. 29Satria iré zèy hainy mialôha, dia nitondrony mialôha foagna koa mbô hitôvy endriky amin'ny Zanany, mbô ho talagn'ôlo aké agnivon'iré ralahy maro izy. 30Ire zèy nantsôviny, dia nohamarininy foagna koa. Ire zèy nohamarininy, dia namiany voninahitra foagna koa.31Ino ary no tokony ho volagninare mômba ire raha ire? Koa mômba antsika Andriamanitra, izôvy no mahatôhatra antsika? 32Izy zèy tsy niaro ny Zanany lahy tôkagna fô nanôlotro Ananjy ho antsika jiaby, ahôana no tsy hagnamiazany antsika maimaimpoagna miaraka Aminanjy ny raha-jiaby foagna koa?33Izovy hitôndra fiampangagna hanôhitry iré ôlom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no lay raiky zèy magnamarigna zègny. 34Izovy raiky hagnameloko? Kristy no raiky maty ho antsika, ary mohôatra zègny, natsangagna foagna kôa Izy. Manapaka amiaraka amin'Andriamanitra aké amin'ny fitoèram-boninahitra Izy, ary Izy no lay mifogna ho antsika35Izôvy hagnasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriangna. sa fijaliagna, sa fagnijèhagna, sa silôgna, sa fibolèhagna, sa loza, sa sabatra? 36Araka ny vôasoratra hoe: "Noho ny avy aminô dia voahenjiky isanadro zèhay. Nisambôrigna kara ny ondry ho vonogny zèhay."37Ako agnatin'jegny raha jiaby zègny dia mihôatra noho ny mpandresy zaihay amin'ny alalan'ilay ray tia anahy. 38Fô resy lahatra zaho fô na ny fahafatèsagna, na ny fiainagna, na iré anjely, na iré fanjakagna, na iré raha avahizo, na iré raha ho avy, na iré hery, 39na ny ambo, na ny laligna, na rahavoajagnahary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra, zay ako amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

Chapter 9

1Mivolagna ny marigna ao amin'i Kristy zah. Fô tsy mandainga zah, ary ny eritreritro no vavolombelogno miaraka aminah ao amin'ny Fanahy Masina,2 fa ho ahy de misy alahelo lehibe ndraiky fahoriagna tsy mijanogna ato am-pôko.3Fô afaka nagniry zah fô izah tegnako de voaôzogna ké hiataka amin'i Kristy noho ny amin-jaré rahalahiko, iré zegny raika firazagnana aminah araka ny nôfo.4 Zare re de Israelita. Zare re de managna fananganagna, ny voninahitra, ire fankatoavagna, ny fagnomiazagnan'ny lalàgna, ny fideragna an'Andriamanitra, ary ire fampagnantigniagna.5 Ny an-jare re de ire razagna izay nahatônga an'i Kristy ho tônga nôfo, Izy zegny Andriamanitra ambônin'ny jiaby. Ho deraigna mandrakizay nè Izy. Amen.6Fô tsy foagna ireo zegny nampagnantignian'Andriamanitra. Fô tsy zegny jiaby avy any Israely no tègna Israely. 7Na ire taranak'i Abrahama jiaby no tègna zanany. Fô: "Amin'ny alalan'Isaka no hagnantsôvagna ire taranakanô."8Zegny hoe, ire zanaky ny nôfo de tsy zanak'Andriamanitra. Fô ire zanakin'ny fampagnantigniana no raisigna ho taranaka. 9Fô karan-jô no tenin'ny fampagnantigniagna: "Amin'izegny fotoana zegny de ho avy Zah, ké hamiagna zazalahy Saraha."10Tsy zegny fôgna, fô avaké koa Rebeka hanan-anaka amin'ny lalahy araiky, Isaka babantsika_11 fô mbôla tsy teraka aby ire zaza ké mbola tsy nagnano raha tsara na tsy tsara, mbô ho tody ny tanjogn'Andriamanitra araka ny fisafidianagna, tsy avy amin'ire asa, fô avy amin'izegny magnantso_ 12nivôlagna tamin'draviavy fô: "Ny zokiny de hanômpo ny zandriny." 13Zegny de karaha zegny voasôratra fô: "Jakoba tiako, fô Esao halako."14Ino arika no ho volagnintsika? Misy tsy fahamarinagna mô miaraka amin'Andriamanitra? 15Ahé é tsisy anjagny. Fô Ahozy tamin'i Mosesy fô: "Hamindra fô amin'izegny tiako hamidragna fô Zah, avaké hangoraka ire zegny tiako hangorahana Zah." 16Avy amin-jegny, de tsy avy amin'izegny mikasa an-jegny, na avy amin'izegny miahazakazaka, fô avy amin'Andriamanitra, zegny mampiseho ny famindram-pô.17Fô ny Sôratra Masigna nivolagna tamin'i Farao fô: "Fô avy amin-jegny antony zegny no nanandratako anô, mbô hamoahako anô ny heriko, ke mbô hagnambaragna ny agnarako magneran-tany." 18Avy amin-jegny, Andriamanitra de mamindra fô amin'izegny tiany, ary zegny tsy tiany, de hamafisiny fô.19Avakeo mety hivolagna aminah anare fô: "Nagnino no mbola magnomia tsiny fogna Izy?" Fô zôvy manakana ny sitrapôny?" 20Mifanohitra amin'zegny, ralehilahy, zôvy mô anô no mamaly manohitra an'Andriamanitra? Mô ve zegny novolavolaigna hivolagna amin'ny mpamolavola ananjy hoe: "Nagnino mé zah natonô karanjô?" 21Moa ny mpanefy vilagny tsy managna zo amin'ny tanimanga ké vongany raiky foagna hagnamboaragna fitoerana raika hafa amin'ny andavanandro?22Ahoana raha Andriamanitra, izegny té hampiseho ny fahatezeragna sy hampahafantatra ny fahefany, no niaritra tamim-paharetagna ire fitoeran'ny fahatezeragna nomägnina ho amin'ny fahasimbana?23 Ahona raha nataony zegny mbô hampahafantarany ny haren'ny voninahiny eo amin'ny ire fitoeran'ny famindram-pô, zay efa nomagniny mialôha ho amin'ny voninahitra?24 Ahona raha nataony ho antsika koã izegny, zay nantsoiny ihany koã, tsy ho eo amin'ny samy Jiosy ihany fô ho eo amin'ny Jentilisa ihany koã?25Araka izay novolagniny teo amin'i Hosea ihany koã hoe: "Hantsoiko hoe oloko zay tsy oloko, ary hoe malalany ilay tsy malala. 26Avakeo de any amin'izay nivolagnina tamin-jaré hoe: 'Tsy ôloko ianaré,' any no agnatsôvagna anjaré hoe: 'zanak'Andriamanitra velognä.'"27Isaia niantso mafy ny amin'ny Israely hoe: "Raha karaha fasika eny amin'ny ranomasigna ny isan'ny zanak'Israely, de ho voavonjy zegny sisa ambiny, 28fô ny Tompo hitondra ny teniny eto an-tany, feno ary tsy ho ela." 29Araka ny nivolagnin'i Isaia mialôa fô: "Raha ny Tompo tompon'ny maro no tsy mamela taranaka ho antsika, de ho mitovy amin'i Sodoma antsika, ary ho lasa mitovy amin'i Gomora."30Inogna andraika no ho volagnintsika? Fô ire Jentilisa, izay tsy nitady ny fahamarignana, no nahazo ny fahamarignana, izegny fahamarignana avy tamin'ny finoagna.31 Fô Israely, izay nitady ny lalàgnan'ny fahamarignana, de tsy tônga tamin'zegny.Toko faha 2
Chapter 10

1Ry rahalahy ny fagnirainifôko sy ny agatahikao amain'Andriamanitra ho an-jare, dia nifamonjegna ananjare. 2Fô mijôro vavolombelogno makasika anajare zaho fô mafana fo ho an'Andriamanitra zare ire, nefa tsy araka ny fahalalagna. 3Fô tsy mahafantatra ny fahamarinan'Andriamanitra iregny,sady miaragna hametraka. ny fahamarinan'izire manokana. Tsy magneky ny fahamarinan'Andriamanitra zare ire.4Fô Kristy no fahatanterahan'ny lalàgna ho fahamarinagna ho an'izay jiaby mino. 5Fô Mosesy manôratra momban'ny fahamarinagna izegny avy amin'ny lalàgna hoe: ''Ny ôlogna izay magnano ny fahamarinan'ny lalàgna dia hiaigna amin'izegny fahamarinagna izegny.''6Fô ny fahamarinagna izay aviy amin'ny finoagna dia mivolagna fô: '' Aza mivolagna izô ao am-po hoe:' Azôvy no hiakatra agny anadagnitra?' (izegny dia mampandrôrogna an' i Kristy); 7Kè aza mivolagna hoe: 'Azovy no hidigna agny amin'ny laligna?'''(izegny dia,mapiakatra an'i Kristy amin'ny maty).8Fô ino no ambaran-jare? Ake marikitra ano ny teny, ako am-bavano ary ao am-pono.'' Izegny ny teniny finogna, izay amabrany. 9Fô raha amin'ny vavano no agnekeno an'i Jesosy ho Tompo, kè mino amin'ny fono fô natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty Izy,dia ho vonjegna anô. 10Fô amin'ny fo no inôn'ny ôlogna ny fahamarinagna, ary amin'ny vava no agnekeny ny famonjegna.11Fô ahozy ny Soratra masigna hoe: ''Tsy ho megnatra izegny jiaby mino Azy.'' 12 Fô tsisy fahasamihafagna eo amin'ny Jiosy ndariky Grika. Fô Tompo araika fogna no Tompon'ny rehetra, ary harem-pahasoavagna ho an'izegny magnantso Ananjy Izy.13Fô izegny jiaby magnantso ny agnaran'ny Tompo no ho vonjegna.14 Karakory kè no ahafahanjare magnantso Azy izegny tsy ninoany? Karakory no ahafahan-jare mino Azy izegny tsy regnin-jare? Karakory no ahafahan-jare mitandregny raha tsisy ny mpitory? 15Ary karakory no ahafantaran-jare mitory, raha tsy nisy nagnasa? Araka ny vôsoratra hoe: ''Endrey ny hatsaran'ny ongon-jare magnambara ire zava-tsoan'ny filazantsara!''16Kanefa tsy izegny jiaby no nitandregny ny filazantsara. Fô ahozy Isaia hoe: ''Tompo, izovy no nino ny hafatra anay?'' 17Noho izegny finoagna dia avy amin'ny finoagna, ary fitandignesagna avy amin'ny tenin'i Kristy.18Fô ahozy hoe: ''Tsy nisy nitandregny mè zare? Ya, tegna maigna. Ny feon-jare dia efa nivoka magneran-tany, kè tenin-jare hatrany amin'ny faran'izô tontolo izô.''19Ankoatra izegny, ahozy hoe: ''Tsy nahafantatra ny Israely mè? Tamin'ny volognany Mosesy nivolagna hoe: ''Ho atôko saropiaro amin-jay tsy firenegna akory anan-dre. Amin'ny firenegna izegny tsysy fahalalagna, ho atôko tonga amin'ny fahavigniragna anan-dre.''20Ary eo tegna masahy tokoa Isaia raha nivolagna izy hoe: ''Hitanan-dre izegny tsy mitady zaho. Nivoaka tamin-jare izegny tsy magnontany ahy aho.'' 21Fa ahozy izy tamin'Israely hoe: ''Tontolon'ny no nagnatsorako ny tagnako tamin'ny ôlogna tsy mankatoa sy miditra.''
Chapter 11Kè nivôlagna zaho, narian'Andriamanitra mò ny ôlony, Sanatria nē jègny. Fô zaho fô koha de Israelita, taranak i Abrahama,avy amin'ny fôkon' i Benjamina. Andriamanitra de tsy nagnary ny ôlony., jègny efa fantany takeo alôha. Tsy fantandrè mô jègny voakoragnan'ny Soratra Masina. mômba an'i Elia, de ilay fitarainany tamin' Andriamanitra namely an' Israely? Fô: Tompo, izy ireo de namono ireo mpaminaninao, namotika ny alitaranao . Izaho araiky sisa tavela , kè mifofo ny aiko izy ireo."Fô ino no valin'ny koragnandre nambaran' Andriamanitra anajy? " Nagnavaka fito arivo lahy ho an'ny tenako Aho jègny tsy nandohalika takeo amin'ny Bala." De karaha jegny, amin'izao avaizo izao fô de misy sisa fô avy amin'ny fisafidianana amin'ny fahasoavana.Fô raha avy amin'ny fahasoavana jègny, de tsy avy amin'ny asa kôza. Fô raha jègny de tsy fahasoavana kôza ny fahasoavana. ([ Fahamarinana: Ny antotan-taratasy asanany talôha de mamaky fô: " kôfa raha avy amin'ire asa jègny, de tsy fahasoavana kôza; fô raha jègny de tsy asa kôza ny asa."]) Ino kè? Ny raha jègny notadiavin' Israel, de tsy azony., kè nohamafisigna ireo ambiny. Jègny de araka ny efa voasoratra fô:" Andriamanitra de nagnamia zare ny fagnahin'ny fitavozavozagna, maso mbô tsy hahitan-jare, ndraiky sofina mbô tsy handregnesan-jare, mandraka avaizo."Kè ahozy i Davida fô :" Aoka ny latabany ho harato ndraiky fandrika, ho vato mamingana ndraiky valifaty ho anjare. Aoka ny mason-jare hohamaizignina mbô tsy hahita, kè aoka hiondrika mandrakizay ny andakambòhòny njare."De ahozy fô:" tafitohina môa re mbô ho lavo?" Sagnatria nē zègny. fô zegny no nahatongavan' ny famonjiagna take amindre Jentilisa, mbô hampialogna anjare. Kè raha ny fahavalon-jare no haren ' izao tontolo izao, kè raha ny fahaverezan-jare no haren ireo Jentilisa, de magnano akory ny havintèsany fahatantirahan-jare?

13Fô avaizo de mikoragna amindre Jentilisa zaha, kè raha mbôla apostolin' ireo Jentilisa zaha, de mankasitraka ny faanompoako. Angamba hamonjy ny asanany aminjare14 atsika.Fô raha midika fampihavanana an'izao tontolo izao n fandavana azy ireo., de ino no handraisana azy ireo jègny fô fiainagna avy amin'ny fahafatesana? Kôfa voatôkana ny vokatra voalôhany, de ny ampahany amin'ny kobam-bary koha. Kôfa vôatokana ny fakany, de karaha jègny koha ireo rantsany.Fô raha notapahigna ny rantsagna asany, kè raha aná, sampana oliva, no natambatra take amin-jare, kèra raha nifampirasä tamin-jare ny vahatra mamokatry ny kakazo oliva anà.,aza mirehareha amindre sampana. Fô raha mirehareha aná, de tsy aná no mitondra ny vahany, fô ny vahany no mitondra aná.De hikoragna mbô fô:" Nitapahina hiala ireo rantsana mbô hafahako mifandray aminy." Marina jègny avy amin'ny tsy finoagna-jare de mijaridigna tsara avy amin'ny finoagna-náre. Aza magnano ny tenanareo ho ambony, fô matáhôra. Fô raha ny tena sampana aza tsy navelan' Andriamanitra, de tsy ho abelany fô koha aná.Ke,jahavo, ny famora-pnahy ndraiky ny fahasaro-pon Andriamanitra. Etsy andaniny, ny fahasaro-po de tônga amin'ireo Jiosy jègny lavo. Fô etsy ankilany kôza, ny hatsaram-panahin'Andriamanitra de tônga amindre. Fô raha tsy jègny de ho tapahina koha ianandre.Kè na iregny aza, raha tsy manohy amin'ny tsy finoany izy ireo , de hatambatra. Fô Andriamanitra de afaka mamerigna manambatra azy ireo andraiky. Fô raha notapahina ny kakazo olivadia anandre, kè nakambana tamin'ny kakazo oliva tsara, de karaha ny ahôana ny fihoharan'ny hafontrin' ireo Jiosy, jègny sampana voajanahary, natambatra tamin'ny kakazo olivan' izy ireo miavaka?Fô tsy tiako tsy hahafantatra anadre , ry rahalahy, ny amin-jègny raha mivöny jègny, mbô tsy haha-hendry anandre amin'ny eritreritra-ndre miavaka. jègny raha mivöny jègny de nahamafy lôha ny ampahany amin'Israely, mandra-piavin'ny fahafenoan'ireo Jentilisa.Avy amin-jègny de ho vonjena avokoa ny Israely jiaby, araka ny voasoratra fô: " Hibôaka avy any Ziona ny mpanafaka. Hanendaka ny tsy hatsaram-panahy amin' i Jakoba Izy, kè jègny no ho fanekem-pihvanako amin-zare, kôfa hanendaka ny fahotan-zare Aho.Amin'ny lafin'ny tokana mahakasika ny filazantsara, de fahavalo izy ireo avy aminareo. Amin'ny lafin'ny tokana hafa araka ny safidin'Andriamanitra, de Malala izy ireo avy amin ireo razagna. Fô ireo fanomezana andraiky antson'Andriamanitra de tsy miova.Fô andre de tsy nankatoa an'Andriamanitra fahiny, Kôfa avaizo andre de nalaka ny famindram-po avy amin'ny tsy fankatoavandre. Karaha jègny koha, avaizo ireo Jiosy de tsy nankatoa. Ny vokatra de tamin'ny alalan'ny famindram-po jègny naseho andre no mety handraisan-jare ny famindram-po fô koha avaizo. Fô Andriamanitra. efa nanidy ny tsy fankatoavana jiaby, mbô afahany mampiseho famindram-po amin-jiabyEndrey, ny halalin'ny ireo haren'ny fahendrena andraiky fahalalan'Andriamanitra! Tsy takatry. ny saina ireo fitsarany, kè ireo lalany de tsy hay refesina,! Fô azôvy no nahalala ny fihevitry ny Tompo na azôvy no tônga ho mpanolo-tsaina Azy.Na iza no nagnamia raha an'Andriamanitra alôha, kè tsy maintsy hanoneran'Andriamanitra azy andraiky.?"Fô avy Aminy andraiky amin'ny alalany kè ho Azy ny raha jiaby. Ho Azy mandrakariva ny voninahitra.Amen.
Chapter 12

1Mangataka aminare zah noho zegny, ry rahalahy, noho ire famindra-pôn'Andriamanitra, mbô hanolôranaré tegna ho sôrogno velogna, masigna, eken'Andriamanitra. Zegny no fanompoagna arakan'ny tegna izy. 2Aza mangalatahaka amin'izao tontolo izao, fô magnova foto-pisaignana anaré. Atôvy zegny mbô ho fantatraré zegny tsara, azo ekegna, ndraiky sitrapô lafatr'Andriamanitra.3Fô volagniko, nohon'ny fahasoavana zay namiagna zah, ny tsy tokony hanagnan'ny jiaby zay eo aminaré eritreritra hagnambony ny tegnany mihoatra zegny tokony ho eritreretiny. Fô kôza, tokony hieritreritra am-pahendrena zaré ré, karaha nagnomiazan'Andriamanitra fatram-pinoagna ny tsiraikiraiky avy.4Fô manana rantsana maro amin'ny tegnantsika antsika, kanèfa tsy mitôvy aby ny asan'iré rantsagna iré.5 Mitôvy amin-jegny, koã atsika na de maro aza de vatagna raiky fôgna ao amin'i Kristy, ké rantsagna manôkana amin'ny tsiraikiraiky.6Managna fanomiazagnam-pasoavagna samby hafa antsika araka ny fahasoavagna zay namiagna antsika. Izikôa faminaniana no fagnomiazam-pahasoavan'ny araika, de aoka atô araka ny haben'ny finoagnany. Izikôa fanompoagna no fagnomiazam-pahasovan'ny araika, de aoka izy hanômpo. 7Izikôa nisy araika nahazo fagnomiazam-pahasoavagna hampianatra, aoka izy hampianatra. 8Kô fampaherèzagna no fagnomezam-pahasoavan'ny araika, aoka izy hampahery. Kô magnamia no fanomezam-pahasoavana araika, aoka izy hagnäno zegny amim-pahalalahan-tagnana. Izikoã hitarika no fagnomezam-pahasoavan'ny araika, aoka zegny ho vita am-pitandremagna. Izikoã hampiseho fangoraham-pô no fagnomezam-pahasoavan'ny araika, aoka zegny ho vita am-pifaliagna.9Aoka ny fitiavagna tsisy fiatsaram-belatsihy. Aza tia ny ratsy; tazony mafy zegny tsara. 10Kô mômban'ny fitiavan'ny mpirahalhy, mifankatiava aminare tsiraikiraiky aby. Kô mômban'ny fanomezam-boninahitra, mifagnajà.11Kô ny mômban'ny fiezahagna, aza misalasala. Kô ny mômban'ny Fagnahy, aoka hafana fô. Mômban'ny Tompo, tompoy Izy. Mifalia amin'ny fahatokiagna zegny 12hanagnanô mômban'ny ho avy. Mahareta amin'ireo ôlagnanô. Mivavahafôgna. 13Mifampizarah amin'izegny ilain'ny mpino. Mitadiava fômba maro hampiantranoanao ôlogna.14Misôra ire zegny magnenjika ano; misôra ary aza magnozogna.15 Miaraha-mifaly amin'ire zegny mifaly; miaraha- mitomagny amin'ire zegny mitomagny. 16Mitovià amin'ny fisaignana amin'ny tsiraikaraika. Aza misaigna amin'ny fômba mirehareha, fô magnikeà ire ôlo ambany. Aza mihevitra ny tegnanô ho hendry.17Aza mamaly ratsy ny ratsy. Magnanôva raha tsara amason'ôlo jiaby. 18Kô mety, araka izegny azonô atô, mihavagna amin'ny ôlo jiaby.19Aza mamaly ratsy ny tegnanare, ry malala, fô amiava lalagna ny fahavigniran'Andriamanitra. Fô efa voasôratra hoe: "'Fô Anah ny valy faty; Zah no hamaly,' ahozin'i Tompo." 20Izikoã vôsilôgna ny fahavalonao, amiavo hagnina izy. Izikoã mangetaheta izy, amiavo ho sotroiny izy. Fa kô magnäno anjegny anô, de hagnangona vaingan'afo ambôny lôhany." 21Aza mety ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.

Chapter 13

1Aoka ny fagnahy jiaby hagneky ire zègny manam-pahefagna ambôny, fô tsisy fahefagna kô tsy avy amin'Andriamanitra. Kè ire manam-pahefagna misy dia èfa voatendrin'Andriamanitra. 2avy amin'jègny dia zègny manohitra zègny manam-pahefagna dia manohitra ny didin'Andriamanitra; sady zègny manohitra anjègny dia hahazo fitsaràgna amin'ny tègnan'jare zare.3Satria ire mpanampaka dia tsy fampitahôragna ho an'ire asa tsara, fô ho an'ire asa tsy tsara Magniry ny tsy hatahotra ny raiky ako amin'ny fahèfagna mô anare? Magnanova ny tsara, dia ho déraigny amin'jagny ano. 4Fô izy dia mpanômpon'Andriamanitra, mpamaly ny fahavigniragna amin'jègny magnano tsy tsara. 5Avy amin'jègny dia tôkony hagneky anare, tsy avy amin'ny fahavigniragna foagna, fô avy amin'ny fiheveragna foagna koa.6Avy amin'jègny dia magnèfa hetra koa anare. Fô mpanômpon'Andriamanitra ire manam-pahefagna, zègny mitantagna zègny raha zègny tsy ankijanogno. 7Ifèo amin'ny tsiraikiraiky zègny tôkony ho anjare: magnifa hètra amin'jègny tôkony hagnifagna ananjy; magnifa fadin-tsiragnana amin'jègny tôkony hagnifagna ananjy; matahôra an'jègny tôkony hatahôragna; magnajà an'jègny manjary ajègny.8Aza managna trôsa na amin'jôvy, na amin'jôvy, afa-tsy ny fifankatiavagna foagna. Fô zègny tia ny magnodidigny ananjy dia nahatantèraka ny lalàgna: 9Maro ire didy: "Aza mangalatra, aza magniry," ary koa misy didy hafa ankoatran'ire koa, dia vôafatotra amin'itô fatôranteny itô zègny: "Tiavo ny namanô karaha ny tègnanô." 10Ny fitiavagna dia tsy manimba ny magnodidigny; avy amin'jègny, ny fitiavagna no fahatantiragnana ny lalàgna.11Avy amin'jègny, fantanare ny fotoagna, fô èfa fotoagna hifohazanare amin'ny tôromaso sahady zô. Fô iniany èfa marivo zègny ninoantsika tamin'ny voalohany ny fagnavôtagna antsika. 12Mandroso ny aligna, ary marivo ny andro. Avy amin'jègny andô hariagna ire asan'ny mahizigny, ary andô antsika fagnatô ny fiadignan'ny fahazavagna.13Andô hizotra amin'ny lalagna mahitsy, karaha ny amin'ny andro, fô tsy kara ny amin'ire firavoravoagna tsy am-pahamendrehagna na koa ny fahamamoagna; ary andô tsy handèha amin'ny fahavètavètagna na amin'ny filagna tsy voafètra, ary tsy ho amin'ny fifanoherigna na fialôgnana. 14Fô magnatova an'i Jesosy Kristy Tompo, ary aza magnomia hiaraka ho an'ny nôfo, mbô hagnomiazagna fahafaham-pô ny filagna

Chapter 14

1Raiso izegny malemy jiaby amin'ny finoagna, aza mitsara momban'ny tohan-kevitra. 2Ny ôlogna araiky de managna finoagna hihinana na ino na ino, fô ny raika hafa zay malemy de tsy mihinana afa-tsy legioma.3Aoka zegny mihinagna ny raha jiaby tsy hagnamavo izay tsy mihinagna jiaby; ary izay tsy mihinana raha jiaby koã tsy hitsara izay hafa mihinagna ny raha jiaby. Fô Andriamanitra efa nagnèky ananjy. 4Azôvy marô anah, anah izay mitsara mpanômpon'ôlon-kafa? Aké agnatréhan'ny tompony izy no mijôro na milavo. Fô hatsangana izy, satria ny Tompo de afaka manangana ananjy.5Ny ôlo raiky de mihevitra fô misy ny andro tsara nohon'ny rehetra. Ny hafa kôza de mihevitra fô mitôvy ny andro rehetra. Avèla ny tsiraikiraiky ho resy lahatra araka ny saignany avy. 6Zay mandinika ny andro, de mandinika izegny ho an'ny Tompo; ary izay mihinagna, de mihinagna ho an'ny Tompo; fô misôtra an'Andriamanitra izy. Zay tsy mihinagna, de mifady hanigna ho an'ny Tompo, izy ihany koã de misôtra an'Andriamanitra.7Fô tsisy miaigna ho an'ny tègnany antsika, ary tsisy maty ho an'ny tegna koã.8 Fô raha miaigna antsika de miaigna ho an'ny Tompo, ary kô èfa maty antsika, de maty koã ho an'ny Tompo. Araka izegny na velogna antsika na maty, de an'ny Tompo. 9Fô ho amin'ny zegny antony zegny no nahafatesan'i Kristy ary nahavelomany ndraika, mbô hahatônga Ananjy ho sady Tompon'ny maty no Tompon'ny velogna.10Fô anah, nahoana anô no mitsara ny rahalahiny ô? Ary anah, nahoana anô no mankahala ny rahalahinô? Fô antsika jiaby de mbôla hijoro ho tsaraigna aké anatrehan'ny sezy fitsaran'Andriamanitra. 11Fô efa vôsôratra hoe: "Kô mbôla velogna koã Zah," hozy ny Tompo, "de hiforitra aké anatrehako ny loalitra jiaby, ary ny lela jiaby de hidera an'Andriamanitra."12Noho izegny ary, antsika tsiraikaraika avy de hagnano tatitra ny tègnany aké amin'Andriamanitra.13 Ké, aoka antsika tsy hifampitsara kôza, fa kosa hanapaka izao, mbô tsy hisy hametraka vato mahatafintôhigna na fandriky ho an'ny rahalahiny.14Mahafantatra zah ary resy lahatra aké amin'ny Tompo Jesosy, fô tsy madio amin'ny tègnany. Fô ho an'zay mandray na ino na ino ho tsy madio ihany de tsy madio izegny ho ananjy. 15Satria raha malahelo nohon'ny amin'ny sakafo ny rahalahinô, de tsy mendeha am-pitiavana kôza anah. Aza simbagna nohon'ny amin'ny sakafonare ire zay namoizan'i Kristy ny aignany.16Ko aza mamela zay heverinare ho tsara ho aratsiagna. 17Fô ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy momba ny sakafo sy rano fisôtro, fô momba ny fahamarinagna, fiadanagna, ndraiky fifaliagna aké amin'ny Fagnahy Masigna.18Fô izegny manômpo an'i Kristy araka izegny de ankasitrahan'Andriamanitra sy eken'ny ôlogna.19 Noho izegny, aoka antsika hanohy ire rahan'ny fiadanagna sy ire raha zay manefy ny tsiraikiraiky avy.20Aza simbagna nohon'ny sakafo ny asan'Andriamanitra. Madio tokoa ny raha jiaby, fô ratsy ho an'ny ologna zay mihinana ananjy ké mahatônga ananjy ho tafintôhigna. 21Tsara ny tsy mihinan-kena na misotro divay, na ny raha jiaby zaymety hanafintôhigna ny rahalahinô.22Ny finoagna anagnanô, tehirizo aké aminô sy Andriamanitra. Sambatra zay tsy manameloka ny tegnany amin'izegny ekeny. 23Zay misalasala de meloka raha mihinana, satria tsy tamin'ny finoagna izengy. Ary na ino na ino tsy amin'ny finoagna de fahotagna.
Chapter 15

1Ary antsika izegny matanjaka dia tokony handefitra ny falimiagnan'ny malemy, ary tsy tôkony hagnano zay mahafinaritra ny teganantsika. 2Aôka ny tsiraikaraika avy maintsika hagnano izay mahafy ny mpiara-belogna amin'ny izegny no tsara mbô hanandratagna azy.3Fô na Kristy aza nagnano izegny nahafinaritra ny tegnany. Fa koza, izegny dia araka ny efa vôsôratra hoe:'' Ny faniratsiran'ire izegny maniratsira ano dia nilavo taminahy''. 4Fô na inio na ino vôsôratra teo aloha dia vôsôratra ho fampianaragna antsiaka, mbô amin'ny alalan'ny fahaterahagna nadaiky amin'ny alalan'ny fahampaherezagnan'ny sôratra no hanagnantsika toky.5Ary ny Andriamanitry ny faharetagna sy fahampaherezagna anie hagnome fisaigna mitovy ho an'ny tsiraikaraika avy araka an'i Kristy Jesosy. 6Izy anie agnao izegny mbô ho amin'ny fisaignana raika sy amin'ny vava raika ihany no hideranan-dre an'Andriamanitra sy Rain'i Tompontsika Jesosy Kristy. 7Noho izegny mifandraisa, kara ny nandraisan'i Kristy anan-dreo ihany koa, ho fideragna an'Andriamanitra.8Fô volagniko fa Kristy dia efa tônga mpanompon'ny vôfora ho an'ny fahamarinan'Andriamanitra, mbô hahafagna magnamarigna ire fampagnantenagna izegny nagnoma ire ray, 9ary ho an'ire Jentilisa mbô hagnomezam-boninahitra an'Andriamanitra nohon'ny famindram-pony. Izegny dia araka ny efa vôsôratra hoe:''Noho izegny dia hagnome fideragna Ano eo amin'ire Jentilisa Zaho ary hihira fideragna ny anaragn'ano11Mbôla voalaza migna hoe: ''Miravoravoa, miaraka amin'ny vahoakany, ry Jentilisa. 10Ary koa hoe: ''Derao ny Tompo, ry Jentilisa jiaby ; ambile ny ologna jiaby hidera Azy.''12Ahozy indraika, Isaia hoe: '' hisy fakan'ny Jese, ary lay raika izegny hitsangana hanapaka eo amin'ny Jentilisa fahatokisagna amin'ire Jentilisa.''13Ary ny Andriamanitra ny fahatokisagna agne hameno anare amin'ny fifaliagna sy fiadanagna jiaby amin'ny finoagna, mbô ho feno fahatokisagna anare, avy amin'ny herin'ny Fagnahy Masigna.14Ny tègnako zô foagna koa dia resy lahatra ny mômba anare, ry ralahy. Resy laha zaho fa anare foagna koa dia feno fahatsaragna, feno ny fahalalagna jiaby. Resy lahatra zaho fô ananan-dre ihany koa afaka mifagnanatra.15Fô magnorata am-pahasahiagna aminare zaho mômba ire raha sasany mbô hampatsiahivigny anare ndraiky, nohon'ny fagnomezam-pahasoavagna zègny namian'Andriamanitra zaho. 16Zègny fagnomiazam-pahasoavagna zègny dia ny tokony mbô hanompôako an'i Kristy Jesosy nalèfa tagny Jentilisa, mbô hanolotra karaha ny sôrogno zègny mbô ho azo ekegna ny fagnatitr'ire Jentilisa, voatôkan'ny Fagnahy Masigna.17Noho zègny ny hafaliako dia ako amin'i Kristy Jesosy sy ire rahan'Andriamanitra. 18Fô tsy ho sahy hikoragna na ino na ino afa-tsy ire rahan'i Kristy tamin'ny alalako ho an'ny fankatoavan'ire Jentilisa zaho. Ire raha ire dia vita tamin'ny koragna sy asa, tamin'ny herin'ire famantaragna sy fahagagagna, ary 19tamin'ny herin'ny Fagnahy Masigna. Zègny dia mbô avy agny Jerosalema, sy lavidavitra karaha an'ilyrikioma, no hahafahako magnatantèraka ny filazantsaran'i Kristy.20Amin'jègny, ny fagniriako dia ny hitory ny filazantsara, fô tsy agny amin'jègny ahaizantsika an'i Kristy amin'ny agnaragna, mbô tsy hagnoregnako ake amin'jègny èfa nagnorènan'ny hafa. 21Zègny dia araka ny voasoratra hoe: "Tamin'ire zèy tsy nivolagna Ananjy no hahita Ananjy, ary ire zèy tsy naregny no hahazo."22Noho zègny foagna koa dia voasakagna matetiky tsy ho agny aminare zaho. 23Fô avahizo, tsy managna toèragna amin'ire faritra ire intsony Zaho, ary togno maro no èfa nagniriako mafy ho agny aminare24Noho zègny na oviagna na oviagna andihanako agny Espana, dia magnatègna zaho ny hahita anare jiaby mandalo, ary haterinare agny amin'ny andihanako, jiaby avy magnkafy fiarahagnanare malakilaky Zaho. 25Fô avahizo ho agny Jerosalema Zaho hanompo ire mpino.26Fô fifalian'i Makedonia sy Akaia ny hagnano fandraisagn'anjara ho an'ire mahantra isan'ire mpino zèy agny Jerosalema. 27Ia, fifaliagna ho ananjy ire zègny, ary, mpitrôsa aminy raha masin'jare, dia tôkony hanompo ananjy foagna koa zare amin'ire raha ara-materialo.28Noho zègny, jiaby nitantirahiko zô asa zô ary nagnamafy fô azon'jare ny vôkatra zèy nangônigny, dia ho agny Espaina zaho ary hitsidiky anare amin'ny lalagnako. 29Haiko fô jiaby madaihagny aminare zaho dia hiditra amin'ny fahafinoagnan'ny fitahian'i Kristy.30Avahizo mampirisika anare zaho, ry ralahy, amin'ny Jesosy Kristy Tompontsika, sy amin'ny fiatiavan'ny Fagnahy, mbô hiaraka hiady aminahy anare amin'ny vavaka atônare amin'Andriamanitra ahoziko. 31Mivavaha mbô ho avotro amin'ire zèy tsy mankato any Jodia zaho, ary mbô ho iken'ire mpino ny fanompoako ho an'i Jerosalema. 32Mivavaha mbô hatongavako aminare amin-kafaliagna amin'ny sitrapôn'Andriamanitra, ary mbô hahafahako, mahita fijanonagna, miaraka aminare.33Andriamanitry ny fiadanagna agne hômba anare jiaby. Amen.

Chapter 16

1Tavandraiko anadre i Foiby anabavintsika, zègny mpanompon' ny fiangonagna agny Kenkrea,2 mbô hazahoanare ananjy akô amin'ny Tompo. Atôvy zègny amin ny fômba mendrika ire mpino, kè magnatrèha ananjy amin-jègny olagna mety hilainy ny fagnampianare. Fô izy tegnany fôgna koha de lasa mpanampy ny maro, ary ny tegnako fôgna koha.3Magnanöva veloma an' i Prisila ndraiky Akoila mpira miasa aminá akô amin' i Kristy Jesosy,4 Zègny nahafohy ny aignan-jare ho any tègnako. Misaotra anjare zaho, kè tsy zaho fôgna fô:" ire fiangonagna jiaby magneragna ny Jentilisa koha.5 Magnanöva veloma ny fiangonagna zègny akô antragnon-jare. Magnanöva veloma akagny amin' ny Epainto malalako, zègny voalôham-bokatr'i Azia ho an'i Kristy.6Magnanöva veloma an' i Maria, zègny miasa mare ho anare
7Magnanöva veloma an'i Androniko ndraiky Jonia, havako marivo. kè niraidia nigadra taminá malaza akè agnivon'ny Apostoly zègny takô amin 'i Kristy mbôla talôhako fogna koha.8 Magnanöva veloloma an i Ampliato, malalako akô amin'ny Tompo.9Magnanôva veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin' i Kristy, ndraiky Staky, malalako.10 Arahabeo ire zègny akoô amin'ny tôkantragnon' i Aristobolo.11 Magnanôva veloma an'ire akô amin'ny tokantragnon' i Narkisa, zègny akô amin'ny Tompo.12Magnanôva veloma an'i Tryfena ndraiky Tryfosa, izay miasa mare takô amin'ny Tompo. Arahabeo Perysa malala, izay niasa mare takô amin'ny Tompo.13 Magnanôva veloma an'i Rofosy, izay voafidy takô amin'ny Tompo, kè ny mamany ndraiky ny mamako. 14Magnanova veloma an'i Asynkrito,Flegona,Hermesy,,Patroba,Herma,kè ire rahalahy izay miraidia amin-jare.15Manaova veloma an'i Filologia ndraiky Jolia, Nerea,ndraiky anabaviny, ndraiky Olimpa, kè ireo mpino jiaby miraidia amin-jare.16 Magnanova veloma amin'ny fifagnorôhagna masina. zare fiangonan 'i Kristy jiaby de magnano veloma anandre.17Niany mandrisika anare zah ry rahalahy mbò handinika momban' zègny mahatônga fizarazaragna ndraiky fanafitohinagna. Izy ire de niala lavitra ny fampianaragna zègny azonare, ialao lavitra ôlo karahan-jègny. 18Fô tsy mpanompon' i Kristy Tompontsika zare, fô Kibony manôkagna fôgna iasany lôha, Amin'ny teny malefaka ndraiky doka amitahan-zare ny fon'ny tsy tonga saigna.19Fô ny ôhatranare amin'ny fankatoavagna de tafita agny amin' ny tsirekareka. Avy amin-jègny, mifaly zaho, ny aminare, kè tsy hanan-tsigny amin'zègny tsy tsara. 20Andriamanitry ny fiadanagna hanôrotôro an ' ny fahavalo eo ambanin'ny tôngotrare afaka fotoagna fôhy. ho aminare nē ny fahasoavan' i Tompontsika Jesosy Kristy.21Timoty, mpira-miasa aminá, de magnano veloma anare, ndraiky Losio, Jasona ndraiky Sosipatro, havako.22 Izaho, Tertio, zègny nanôratra ity taratasy ity, de magnano veloma anare akô amin'ny Tompo.23Gaio, ilay mpampiantragno aná ndraiky ny fiangonagna jiaby, de magnano veloma anare. Erasto, mpitam-bôla ao amin'ny tanàgna, de magnano veloma anare, miraidia amin' i Koarto ilay rahalahy.24 [ Fagnamarihagna: Ny fandikagna talôha tsara indrindra de mangala ity. ( zahavo ny Romana 16: 20). and 24:" Ho aminare jiaby nē ny fahasoavan' ny Tompontsika Jesosy Kristy. Amena."]25Kè ny voninahitra de ho ananjy zègny mahavita mampitsangana anare araka ny filanzantsarako ndraiky fitoriagna an' i Jesosy Kristy, araky ny fagnambaragna ny ministera zègny notazomigna ho tsy ambara telo èla be fahagola tagny.26 kanèfa nambara niany, kè tamin'ny alalan'ny bokin'ny faminaniagna no nampahafantaragna tamin'ny firenena jiaby araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ho fankatoavagna ny finoagna27Ho an' Ilay Andriamanitra tôkan'ny fahendrena, nē ny voninahitra mandrakizay.

1 Corinthians

Chapter 1

1Paoly, nantsovin'i Kristy Jesosy mbô ho Apostoly noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalahintsika, 2ho an'ny fiangonan'Andriamanitra akô Korinto, ho an'iré izay voahasigny takô amin'i Kristy Jesosy, de voahantso ho ôlo-masigny. Manoratra ho an'iré jiaby izay magnantso ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny toeragna jiaby iregny koa izahay, ny tompon-jaré ré sy ny anintsika. 3Ho aminaré ane ny fahasoavagna sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Baban-tsika sy Jesosy Kristy Tompo.4Izaho de magnome fisaoragna ho an'Andriamanitra nahy ho anaré noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay namian'i Jesosy Kristy anaré. 5Nataony nanan-kariagna tamin'ny fomba jiaby anaré, tamin'ny fivolagnana jiaby sy fahafantaragna jiaby, 6kôfa vô voaporofo takéo aminaré fô marigna ny fagnambaragna mômban'i Kristy.7Noho izegny anaré de tsy mijaly fagnomezam-pahasoavagna akéo am-padignesanaré mafy ny fagnambaragna an'i Jesosy Kristy Tompontsika. 8Izy foagna koa de hampahery anaré hatramin'ny farany, mbô tsy hana-tsigny anaré amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9Matoky Andriamanitra, izay nagnantso anaré ho amin'ny firaisagna amin'ny zanany lahy, Jesosy Kristy Tompontsika.10Avaizo de mampirika anaré zaho, ry rahalahy, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mbô hifagnaraka anaré jiaby, ary tsy hisy fisarahagna aké aminaré. Mampirisika zaho mbô hitambatra amin'ny saigny mitovy sy tanjogna mitovy anaré. 11Fô efa natao mazava taminahy, ry rahalahy tamin'ny alalan'ny fokon'ôlon'i Kloe fô misy fifampiandaniagna aké aminaré.12Ny tiako volagnina de izao: Ny tsiraikiraiky aminaré samby magnano hoe: ''Izaho miaraka amin'i Paoly,'' na ''Zaho miaraka amin'i Apolosy,'' na ''Izaho miaraka amin'i Kefasy,'' na ''Izaho miaraka amin'i Kristy.'' 13Vôarasarasa mô Kristy? Paoly mô nifantsihagna ho anaré? Tamin'ny agnaran'i Paoly mô no nagnaovana batisa anaré?14Misaotra an'Andriamanitra zaho fô tsy nisy nataoko batisa anaré, koa tsy Krispo sy Gaio. 15Izaigny de mbô tsy hahafahan-jovy na izôvy mivolagna hoe tamin'ny agnarako no nagnamboaragna batisa anaré. 16(Izaho fôagna koa de nagnano batisa ny fianakaviagnan'i Stefanasy. Ny ankoatran'izay, tsy fantako na nagnano batisa ôlon-kafa zaho.)17Fô Kristy de tsy nagnasa anahy mbô hampagnano batisa fô hitory ny filazantsara. Izy tsy nagnandefa anahy hitory amin'ny tenim-pahedregnan'ôlombelogno, mbô tsy ho foagna ny hery ny kakazofijaliagnan'i Kristy.18Fô ny hafatra mômba ny kakazofijaliagna de fahadalagna amin'iré zay ho foaty. Fô aké amin'iré zay ho vonjen'Andriamanitra ndraiky, de herin'Andriamanitra izegny. 19Fô voasôratra hoe: ''Ho potehiky ny fahendregnany ny hendry. Ho foagnako ny fahalalagnan'ny mahay.''20Akaiza ny ôlon-kendry? Akaiza ny manam-pahaizagna? Akaiza ny mpiady hevitra an'izao tontolo izao? Mô tsy navadik'Andriamanitra ho fahadalagna vô ny fahendregnan'izao tontolo izao? 21Satria tsy nahafantatra an'Andriamanitra izao tontolo izao takô amin'ny fahendregnany, de sitrak'Andriamanitra ny hagnavotra iré izay mino amin'ny alalan'ny fahadalagnan'ny fitoriagna.22Fô iré Jiosy de mangataka famantaragna mahagaga ary iré Grika mitady fahedregna. 23Fô zahay mitory an'i Kristy voafantsika, izay vato fanafitohinagna ho an'iré Jiosy ary fahadalagna ho an'iré Grika.24Fô ho an'iré izay nantsôvin'Andriamanitra, iré Jiosy sy iré Grika, de mitory an'i Kristy karaha ny hery sy fahendregnan'Andriamanitra izahay.25 Fô ny fahadalagnan'Andriamanitra de hendry noho ny ôlogno, ary ny fahalimiagnan'Andriamanitra de matanjaka noho ny ôlogno.26Diniho ny fagnantsovagna anaré, ry rahalahy. Tsy maro taminaré ny hendry koa ny amin'ny maha ôlombelogna. Tsy maro taminaré no nahery. Tsy maro taminaré no ambôny firazagnana.27 Fô Andriamanitra de nisafidy iré raha mahôlan'izao tontolo izao mbô hampahamegnatra ny hendry. Andriamanitra de nisafidy izay malemy akeo amin'izao tontolo izao mbô hampahamegnatra izay matanjaka.28Andriamanitra de nisafidy izay ambany sy hamavoigny aketo amin'izao tontolo izao. Na izy aza de nifidy iré raha izay niheveragna ho tsinontsino, mbô hahatonga tsinontsino iré raha izay hatao ho manan-danja. 29Nataony izegny mbô tsy hisy hanagna antony hireharehagna aké agnatrehany.30Nohon'ny nataon'Andriamanitra, avaizo anaré de akô amin'i Kristy Jesosy, izay lasa fahindreagna ho antsika avy amin'Andriamanitra. Izy de nanjary fahamarignantsika, fahamasignantsika ary fahafahantsika. 31Vokatr'izegny, arak'izay volagnin'ny sôratra Masigna hoe: ''Aoka izay mirehareha, hirehareha akô amin'ny Tompo.''

Chapter 2

1Izy kôfa nandeha taminaré zah, ry rahalahy, de tsy tonga niaraka tamin'ny koragna tsara lamigna na fahindriagna zah izikô nagnambara mômban'ny raha ambadiky mômban'Anandriamanitra. [Fagnamarihagna: Ny dika-teny maro hafa de mivaky karan'izao hoe: ''Kô magnambara ny fijorogna vavôlombelogno mômban'Andriamanitra zah.''] 2Fô kinia tsy nahé na ino na ino zah kô také taminaré, izy koa tsy Jesosy Kristy, ndraiky Izy voahômbo.3Ké niaraka taminaré zah také tamin'ny falimiagna, ndraiky také tamin'ny tahotro, ndraiky tamin'ny fangovitagna be. 4Ary ny hafatranay ndraiky fagnambarako de tsy tamin'ny teny fandrisian-dahatra ny fahindriagna fô kôza, tamin'ny fanehoan'ny fagnahy ndraiky hery, 5mbô tsy ho akô amin'ny fahindrian'ôlombelogno ny finoagnanaré, fô akô amin'ny herin'Andriamanitra.6Avaizo de mikoragna fahindriagna aké aminaré matotro antsika, fô tsy ny fahindrian'izao tontolo izao, na ny anjaré mpanapaka izao vaninandro izao, izay mandalo foagna. 7Fô kôza, mikoragna ny fahindrian'Andriamanitra amin'ny fahamarinagna mivony antsika, le fahindriagna mivony izay notendren'Andriamanitra mialôha talôhan'iré fotoagn'andro jiaby ho voninahitran-tsika.8Tsisy tamin-jaré mpanapak'izao andro izao no nahé io fahindriagna io, fô kô nahatakatra izegny zaré ré tamin'izegny fotoagna izegny, de tsy nivonin-jaré lay Tômpo-mboninahitra. 9Fô araka izegny voasôratra hoe: ''Iré raha izegny tsisy maso nahita, tsisy tadigny mitandregny, tsisy eritreritra nahazo an-tsaigny, iré raha iré nomagnin'Andriamanitra ho an'iré zegny mankatia Ananjy.''10Iré no raha natôron'Andriamanitra taminay tamin'ny alalan'ny fagnahy. Fô ny fagnahy de mikaroko ny raha jiaby, na de iré raha lalin'Andriamanitra aza. 11Fô izovy no mahafantatra ny fisaignan'ny ôlogno araiky izy koa tsy ny fagnahin'ôlogno akô aminanjy? Ka rahan-jegny koa, tsisy mahafantata iré raha lalin'Andriamanitra izy koa tsy ny fagnahin'Andriamanitra.12Fô tsy nandramby ny fagnahin'izao tontolo izao antsika, Fô ny Fagnahy zay avy amin'Andriamanitra, mbô hahafahantsika mahafantatra iré raha amiagna antsika maimaimpoagna avy amin'Andriamanitra.13 Mivolagna mômba iré raha iré amin'ny teny zay tsy hain'ny fahindriagnan'ôlombelogno ampianarigny zahay, fô zay ampianarin'ny Fagnahy anay. Ny Fagnahy no mandika ny volagna ara-pagnahy miaraka amin'ny fahindriagna ara-pagnahy.14Ny ôlogno zay tsy ara-pagnahy de tsy mandramby iré raha zay an'ny Fagnahin'Andriamanitra, satria fahadalagna aminanjy iregny. Tsy afaka mahay an'iregny izy satria famantaragna ara-pagnahy iregny. 15Zegny ara-pagnahy de mitsara ny raha jiaby, fô tsy hiamparan'ny fitsaran'ny sasany izy. 16''Fô izôvy no afaka mahay ny fisaignan'ny Tompo, no ho afaka hampianatra ananjy?'' Fô zahay de managna ny fisaignan'i Kristy.

Chapter 3

1Ary izaho, ry rahalahy de tsy afaka mivolagna taminaré karaha ny ôlogno izay ara-pagnahy, fô ndraiky karaha ny ôlogno ara-nofo, karaha ny zazahely akô amin'i Kristy. 2Nifahanako ronono anaré, fô tsy ventin-kanigna, satria tsy vognona tamin'izegny anaré; ary na avaizo aza de mbôla tsy vognogno amin'izegny anaré.3Satria anaré mbôla araka ny nôfo. Fô na akeza misy fahasarotam-piaro sy fifandiragna aké aminaré, de tsy miaigna araka ny nofo vô anaré, ary tsy mandeha amin'ny fenitra ny ôlombelogno? 4Fô kôfa misy araiky mivolagna hoe: ''Izaho magnaraka an'i Paoly,'' ary ny araiky mivolagna hoe: ''Izaho magnaraka an'i Apolosy,'' de tsy miagny karaha ny ôlombelogno foagna vô anaré?5 Izovy ariky Apolosy? Izôvy Paoly? Mpanompo izay tamin'ny alalany no ninoanaré, izay namian'ny Tompo asa aby.6Izaho ny namboly, Apolosy no nanondraka, fô Andriamanitra no nampitombo. 7Ke noho izegny, na izy izay mamboly na izy izay manondraka de tsy misy dikany. Fô Andriamanitra no mampitombo.8Ary izy izay mamboly sy izy izay manondraka de araiky, ary ny tsiraikiraiky de samby hahazo ny karamany aby araka ny asany.9 Fô izahay de mpiara-miasa amin'Andriamanitra. Anaré de sahan'Andriamanitra, sy tragnon'Andriamanitra.10Araka ny fahasoavan'Andriamanitra izay namiagna anahy karaha ny mpagnano tragno mahay, de mametaka ny fôtotra zaho ary hafa no magnorigna aké ambôniny. Fô aoka ny lalahy tsy raikiraiky hitandrigna ny amin'ny fomba hagnoregnany aké amin'izegny. 11Fô tsy misy ôlogna mametaka fôtotro koa tsy ilay araiky izay napetraka, izegny hoe, Jesosy Kristy.12Avaizo koa misy ôlogno magnorigna aké ambônin'ny fitotra amin'ny volamena, vôlafotsy, vato sarobidy, kakazo, ahitra, milolo,13 de haseho ny asany, fô ny andro mazava no haneho izegny. Satria haseho amin'ny afo izegny. Ny afo no hitsapagna ny hatsaragnan'ny nataon'ny tsiraikiraiky.14Koa mitraka ny asan'ilay ôlogno, de hahazo valisoa izy;15 fô koa may ny asan'ilay ôlogno, de ho fatiantoka izy, fô izy tegnany de ho vonjegna, karaha ny nilefa tamin'ny afo foagna.16Tsy fantanaré vô fô anaré de tempolin'Andriamanitra ary ny fagnahin'Andriamanitra no mipetraka akô aminaré? 17Koa misy ôlogno mandratra ny tempolin'Andriamanitra, de handratra izegny ôlogno izegny Andriamanitra. Fô masigna ny tempolin'Andriamanita, ary karaha izegny koa anaré.18Aza avela hisy ôlogno hamita-tegna. Koa misy ôlogno aké aminaré mihevitra fô hendry izy amin'izao vanimpotoagna izao, ambilay izy ho lasa ''mahola'' aminjay mbô mety ho lasa hendry izy. 19Fô ny fahendregnan'izao tontolo izao de fahadalagna aké amin'Andriamanitra. Satria voasôratra hoe: ''Nahatakatra ny hendry takô amin'ny hafitsiagnan-jaré ré izy.'' 20Ary koa hoe: ''Ny Tompo de mahafantatra fô ny fihevitra ny hendry de zava-poagna.''21Noho izegny tsisy heky ny fireharehagna momba ny ôlogno! Fô ny raha jiaby de anaré, 22na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainagna, na fahafatesagna, na raha avaizo, na raha ho avy. Ny raha jiaby de anaré, 23ary anaré de an'i Kristy, ary Kristy de an'Andriamanitra.

Chapter 4

1Karaha izao no tokony handraisan'ny ôlogno antsika, karaha ny mpanompon'i Kristy ary mpitandrigna iré misterin'Andriamanitra.2 Amin'izegny fifandraisagna izegny, de fepetra takigna amin'iré mpitandrigna ny maha-medri-pitokiagna ananjy iré.3Fô aminàhy de raha hely de hely ny tokony hitsaranaré na hitsaran'ôlombelogna jiaby anahy. Fô na izaho aza tsy mitsara ny tegnako. 4Izaho de tsy mahafantatra izay fiampangagna natao taminahy, fô izegny de tsy midika fô tsy manan-tsigny zaho. Ny Tompo no mitsara anahy.5Noho izegny, aza manognona fitsaragna momban'ny raha jiaby mialohan'ny fotoagna, mialohan'ny hiavian'ny Tompo. Izy de hitondra iré raha miafignin'ny haizigna ho amin'ny fahazavagna ary hampiseho ny fikasan'ny fô. Avy aké ny tsiraikiraiky aby de handray ny fiderany avy amin'Andriamanitra.6Avaizo, ry rahalahy, nampihatra iré fitsipika iré taminahy sy tamin'i Apolosy zaho nohon'ny aminaré, mbô hahafahanaré mianatra avy aminay ny dikan'ny fivolagnana hoe: ''Aza mandeha mihoatra izay voasôratra.'' Izegny de mbô tsy hisy araiky aminaré hirehareha ny amin'ny fankasitrahana ny araiky noho ny hafa. 7Fô izôvy no mahita fahasamihafagna aké aminaré sy iré hafa? Ino no anagnanaré ké tsy niraisinaré maimaimpoagna? Koa nadray izegny maimaimpoagna anaré, nagnino anaré no mirehareha karaha ny tsy nagnano karaha izegny?8Efa anagnanaré dahôlo izay jiaby tadiavinaré! Efa lasa mpanankariagna anaré! Ary efa nanomboka nanjaka anaré_ary izegny de tsy avy taminay! Izaho de magniry marigny ny nanjakanaré, mbô hafahanay manjaka miaraka aminaré. 9Fô izaho de mieritreritra fô Andriamanitra de nametraka antsika ho apostoly miharihary kara ny farany amin'ny laharagna sy karaha ny ôlogno voaheloko ho foaty. Izahay de lasa fampisehoagna ho an'izao tontolo izao_ho an'iré anjely, ary ny ho an'ny ôlombelogno.10Izahay de mahôla nohon'ny amin'i Kristy, fô anaré de hendry akô amin'i Kristy. Malemy izahay, fô anaré mahery. Anaré de namiam-boninahitra, fô zahay ndraiky tsy nalam-baraka. 11Mandrak'avaizo zahay de tihinagna sy mangetaheta, mahantra fitafigna, voavely mafy, ary tsy manan-kialofagna.12Miasa mafy izahay, miasa amin'ny alalan'ny tagnanay foagna. Kôfa latsaigna zahay, de miaritra. 13Kôfa henjehigna izahay, de mitso-drano. Kôfa vohendrikedrika izahay, de mivolagna amin-katsaram-pagnahy. Zahay de niova, ary mbôla raisigna ho, fokon'izao tontolo izao sy faikan'ny raha jiaby.14Izaho de tsy nanôratra iré raha iré mbô hahamegnatra anaré, fô magnitsy anaré karahan'ny zanaka malalako. 15Fô na de manana mpiambigna iray aligna akô amin'i Kristy aza anaré, de tsy managna baba maro be. Fô izaho de lasa baba naré akô amin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny filazantsara. 16Noho izegny de mampirisika anaré izaho mbô ho hagalatahaka anahy.17Izegny no nandefasako anaré an'i Timoty, zanaka malalako sady mahatoky akô amin'ny Tompo. Izy de hampahatsiaro anaré iré lalako akô amin'i Kristy, karaha ny hampianarako ananjy iré na akeza na akeza sy akô amin'ny fiangonagna jiaby. 18Avaizo de lasa miavogna ny sanany aminaré, magnano, karaha ny hoe tsy ho avy agny aminaré zaho.19Fô ho avy tsy ho ela agny aminaré zaho, kô sitraky ny Tompo. Ary tsy ahafantatra ny koragnan'iré izay tegna miavogna foagna zaho, fô hahita ny herinjaré ré. 20Satria ny fanjakan'Andriamanitra de tsy mifototra amin'ny koragna fô amin'ny hery. 21Ino no tadivinaré? Tokony ho avy agny aminaré miaraka amin'ny tsôraka kakazo vô zaho sa miaraka amin'ny fitiavagna feno halemem-pagnahy?
Chapter 5

1Izahay de naharegny tatitra fô misy fijangajangagna aké aminaré, karazagna fitondran-tegna tsy medrika izay tsy azo atao aby aké amin'iré Jentilisa. Ny tatitra de hoe misy araiky aminaré miara-madry amin'ny vadiny babany. 2Anaré de tegna miavognavogna! Fô tsy tôkony alahelo vô anaré? Ny araiky izay nagnano izegny de tsy maintsy alàgna aketo aminaré.3Fô na de tsy aké ara-batagna aza zaho fô mbôla aké ara-pagnahy, de efa nitsara ilay araiky izay nagnano izegny sahady, karaha ny hoe také zaho.4 Kôfa miaraka mivory amin'ny agnaran'i Jesosy Tompontsika anaré, ary ny fagnahiko de aké koa amin'ny herin'i JesosyTompontsika, de efe nitsara io ôlogna io sahady zaho. 5Nataoko izegny mbô hanoloragna izegny lalahy izegny ho an'ny Satana ho famotehagna ny nôfo, mbô ho vôvonjy ny fagnahiny amin'ny andron'ny Tompo.6Tsy tsara ny fireharehanaré! Tsy fantanaré vô fô ny lalivay hely de magnôva ny môfo manontolo? 7Diovo ny tegna naré amin'ny lalivay talôha mbô ho tonga môfo vaovao anaré, ke mbô ho tonga môfo tsy misy lalivay. Fô Kristy, lay zanak'ondrintsika tamin'ny Paska, de natô sorogno. 8Noho izegny de aoka atsika hankalaza ny firavoravoagna, tsy amin'ny lalivay talôha, ilay lalivain'ny fitondran-tegna ratsy sy faharatsiagna. Fô ndraiky, aoka atsika hankalaza amin'ny môfo tsy misy lalivain'ny fahadiovam-pô sy fahamarinagna.9Izaho de nanôratra ho anaré takô amin'ny taratasiko mbô tsy hiarahanaré miasa amin'iré ôlogna mpijangajanga. 10Kanefa ny tiako volagnina de tsy ny ôlogno mpijangajanga jiaby aketo amin'izao tontolo izao, na iré tsy mahonon-tegna, na iré mpikatramo, na iré mpanompo sampy, satria mbô hialagna amin'jaré ré de mila miala amin'izao tontolo izao anaré.11Nefany avaizo zaho manôratra ho anaré mbô tsy hiara-hiasa miaraka aminjovy na izôvy izay antsôvigny hoe rahalahy kanefa miaigna akô agnatin'ny fijangajangagna, na izay tsy mahonon-tegna, na mpanompo sampy, na mpivôlan-dratsy, na mpimamo, na mpikatramo. Aza hômagna hanigna miaraka amin'ny ôlogno karanin-jegny aby. 12Fô akôry no idirako amin'ny fitsaragna iré izay agny ivelan'ny fiangonagna? Mifanohitra amin'izegny, anaré vô tsy tokony hitsara iré izay akô agnatin'ny fiangonagna? 13Fô Andriamanitra de mitsara iré izay agny ivelany. ''Alà aké aminaré ny ôlon-dratsy.''

Chapter 6

1Kôra misy araiky aminaré managna ady amin'iraika hafa, saky ménga akgny amin'ny fitsaragna aké agnatrehan'ny mpitsara tsy mpino mô izy, fô tsy aké agnatrehan'ny mpino? 2Tsy fantanaré mô fô iré mpino no hitsara izao tontolo izao? Kô izegny, anaré no hitsara an'izao tontolo izao, tsy mahefa mandamigna raharaha madiniky mô anaré? 3Tsy fantatraré mô fô hitsara iré anjely antsika? Magnano akôry arika noho izegny ny fihoafan'ny fahafahantsika mitsara iré rahalahy amin'itô fiainagna itô?4Izy koa ké afaka mitsara zegny raha misy amin'ny andavanandrom-piainagna anaré, magnino anà no mametraka karazan-draha karaha izegny aké agnatrehan'iré izegny tsisy dikany akô amin'ny fiangonagna? 5Hampamègnatra anaré no hivolagnako izegny. Tsy mbô misy ampy fahindriagna mé na de araiky aby mô aminaré mbô handamigna ny disadisa aké amin'ny mpirahalahy? 6Fa kôza, misy mpino araiky ménga mifanatrika amin'ny mpino hafa aké amin'ny fitsaragna, ké izegny rahalahy izegny de hapètraka aké anatréhan'ny mpitsara izegny tsy mpino!7Ny fisian'ny ady aké aminaré Kristiana jiaby de efa faharesegna ho anaré sahady. Fô tsy aleo vô mijaly amin'ny fahadisoagna? Fô tsy aleo vô avela ho voafitaka ny tegnanaré?8 Fô anaré de nandiso sy namitaka iré hafa, ary de rahalahinaré foagna izy iré!9Mô tsy fantanaré vô fô ny tsy marigny de tsy handôva ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mino lainga. Iré vetaveta, iré mpanompo sampy, irè mpijangajanga, iré lalahy mpivaro-tegna, iré izay miara-mandry amin'ny samby lalahy, 10iré mpangalatra, iré tsy mahazo onogna, iré mpimamo, iré mpagnaratsy, iré mpagnano an-keriny_tsy misy araiky amin-jaré ré handôva ny fanjakan'Andriamanitra. 11Karaha izegny ny sanany aminaré. Fô efa voadio anaré, nohamasinigna anaré, ary voamarigna také amin'Andriamanitra anaré tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy Kristy sy tamin'ny fagnahin'Andriamanitsika.12Ny raha jiaby de ara-dalagna aminahy,'' fô tsy ny raha jiaby no mahasoa. ''Ny raha jiaby de ara-dalagna aminahy,'' fô tsy ho andevozin'ny araiky amin'iré zaho. 13''Ny hanigna de ho an'ny kibo, ary ny kibo natao ho an'ny hanigna,'' fô Andriamanitra de hagnafoagna zaré roa iré. Ny vatagna de tsy natao ho an'ny fijangajangagna. Fô ndraiky, ny vatagna de natao ho an'ny Tompo, ary ny Tompo de hagnamia ho an'ny vatagna.14Andriamanitra de efa nanangagna ny Tompo sady hanangagna antsika amin'ny heriny koa. 15Mô tsy fantanaré vô fô ny tegnanaré de rantsam-batan'i Kristy? Ké hindôsiko vô izegny iré rantsam-batan'i Kristy ké hanambatra ananjy iré amin'ny mpivavaro-tegna? Tsy hisy ané izegny!16Mô tsy fantanaré vô fô izay mitambatra amin'ny mpivaro-tegna de lasa nôfo araiky aminanjy? Karaha ny volagnin'ny sôratra masigna hoe: ''Ho nôfo araiky foagna zaré roa.'' 17Fô izy izay mitambatra amin'ny Tompo de lasa fagnahy araiky aminanjy.18Hialà ny finjangajangagna! Ny fahotagna jiaby hafa izay ataon'ny ôlogno de ivelan'ny tegna, fô ny ôlogno mpijangajanga de manota ho amin'ny tegnany foagna.19Mô tsy fantanaré vô fô ny vatagnanaré de tempolin'ny Fagnahy Masigna, izay mipetraka akô agnatinaré, izay azonaré avy amin'Andriamanitra? Mô tsy fantanaré vô fô tsy aninaré ny tagnanaré? 20Fô ôlom-boafidy anaré. Noho izegny de mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tegnanaré. [Fagnamarihagna: Iré dikan-teny taloha sanany de mivaky karaha izao hoe: ''Noho izegny mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tegnanaré sy amin'ny fagnahinaré, izay an'Andriamanitra. ''Fô ny dikan-teny tegna tsara de tsy mivaky karaha an'io.]

Chapter 7

1Ary mahakasika iré ôlogno izay nisoratanaré momban'ny hoe: ''Tsara ho an'ny lalahy ny tsy mikasika viavy.'' 2Nefany noho iré fakam-pagnahy amin'ny vahavetavetagna maro isan-karazany, de tokony hanagna ny vadiny manôkagna aby ny lalahy tsiraikiraiky, ary ny viavy tsiraikiraiky de tôkony hanagna ny vadiny manokagna aby.3Ny lalahy de tôkony hagnomia iré zo ara-panambadiagna ho an'ny vadiny, ary kaha izegny koa ny viavy ho an'ny vadiny. 4Tsy ny viavy no managna fahefagna amin'ny vatany manôkagna, fô ny vadiny. Karaha izegny koa, tsy ny lalahy no managna fahefagna amin'ny vatany manôkagna, fô ny vadiny no managna.5Aza mifanakantsakagna anaré tsiraikiraiky, koa tsy amin'ny fifagnarahagna nifagnanôvagna ary amin'ny fotoagna voatôkagna. Ataovo izaigny mbô hafahanaré manôkan-tegna amin'ny vavaka. Avaké de tôkony hiara-mandry koa anaré, mbô tsy hafahan'ny Satana malaka fagnahy anaré nohon'ny tsy fanagnanaré fifehezan-tegna.6 Kanefa izaho de mivôlagna iré raha iré amin'aré am-pahalalahagna fô tsy didy aby.7 Iriko ny ôlogno jiaby ho karaha anahy. Fô ny tsiraikiraiky de samby managna ny fagnomezam-pahasoavagnany manôkagna avy amin'Andriamanitra. Ny araiky managna itô karazam-pagnomezam-pahasoavagna itô, ary ny araiky hafa managna karazany hafa koa.8Ho an'iré izay tsy manambady sy iré mpitondrategna de mivôlagna zaho fô tsara ho ananjy iré koa mijanogno tsy manambady zaré ré, karaha anahy. 9Kanefa zarè ré koa tsy afaka mamehy tegna, de tôkony hanambady. Satria tsara kokoa ho ananjy iré ny mambady toy izay ampirehetin'ny filàgna ara-nôfo.10Ary ho an'iré izay manambady de magnamia izao didy izao zaho_tsy izaho, fô ny Tompo_ny viavy de tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny,11 (fô raha ôhatra izy ké misaraka amin'ny vadiny, de tôkony hijanogna tsy hanambady na koa miherigna mihavagna amin'ny vadiny) _ary ny lalahy de tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny.12Fô ho an'ny tavela de mivôlagna zaho_izaho, fô tsy ny Tompo_ hoe koa misy rahalahy araiky managna vady tsy mpino, ary koa mahafaly anjy ny miara-miaigna aminjy, de tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny izy. 13Fô koa misy viavy managna vady tsy mpino, ary koa mahafaly ananjy ny miara-miaigny aminanjy, de tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny izy. 14Satria ny lalahy tsy mpino de natôkagna noho ny amin'ny vadiny, ary ny viavy tsy mpino de natôkagna nohon'ny amin'ny rahalahy. Fô koa tsy izegny de ho maloto ny zanakaré, nefany raha ny marigny de efa voatôkagna zaré ré.15Fô koa ny vady tsy Kristianina no mandao, avilay izy andeha. Amin'ny toe-draha kara izegny, ny rahalahy na ny rahavavy de tsy voafehin'iré voadin-jaré zaré. Andriamanitra de nagnantso antsika mbô hiaigny am-piadanagna. 16Fô amin'ny fômba akôry no ahafantaranà, ry viavy, koa ho voavonjinà ny vadinà? Na amin'ny fômba akôry no ahafantaranà, ry lalahy, koa ho voavonjinà ny vadinà?17Fô avelay foagna ny tsy raikiraiky aby hiaigna ny fiainagna izay efa nanendren'ny Tompo ananjy, ary araka ny efa nagnatsovan'Andriamanitra ananjy. Io no fitsipiko akô amin'ny fiangonagna jiaby. 18 Efa voafôra vô ny ôlogno araiky kôfa nantsovigna mbô hino? Izy de tsy tôkony hiezaka ny hisehoseho karaha ny tsy voafôra. Tsy voafôra vô ny ôlogno araiky kôfa nantsôvigna amin'ny finoagna? Tsy tôkony hoforaigna izy. 19Satria tsy ny famoragna na ny tsy famoragna no tegna ilaigny. Ny tegna ilaigny de ny fankatovagna iré didin'Andriamanitra.20Ny tsiraikaraika avy de tôkony hijanogno amin'ny fagnatsôvagna izay nisy ananjy kôfa nantsôvin'Anandriamanitra mbô hino izy. 21Andevo mô anà taminy Andriamanitra nagnantso anà? Aza miahiahy ny amin'izegny. Fô kô mety ho afaka anà, de araraoty izegny. 22Satria ny ôlogno araiky izay nantsoin'ny Tompo ho andevo de ôlogno afaky ny Tompo. Karaha izegny koa ny ôlogno izay afaka kôfa izy nantsoigna mbô hino de andevon'i Kristy. 23Anaré de voavidy, noho izegny de aza tônga karà iré andevon'ny ôlogno. 24Ry rahalahy, na ino na ino fiainagna nisy antsika tsiraikaraika taminy antsika nantsôvigna mbô hino, de aoka antsika hijanona ho karaha izegny.25Ké mahankasika iré izay tsy nanambady mihitsy, izaho de tsy nanagna didy avy agny amin'ny Tompo. Kanefa izaho de magnamia ny hevitro karaha ny araiky zay, amin'ny alalan'ny famindram-pôn'ny Tompo, de mendrim-pitokisagna. 26Noho izegny, mieritreritra zaho fô nohon'ny loza zay ho tonga, de tsara ho an'ny lalahy ny mijanogno amin'ny maha izy ananjy.27Voafatotra amin'ny viavy mô anaré? Aza miaragna ny ho afaka aminanjy. Afaka amin'ny vadinà mô anà? Aza miaragna vady. Nefa kô manambady anaré, de tsy nanota. 28Kô ny viavy tsy manambady no manambady, de tsy nanota izy. Kanefa iré zay manambady de hanagna karazan'ôlogno maro kô mbôla velogno, ké izaho de te hagnala anaré amin'izegny.29Fô izao no volagniko, ry rahalahy: Foika ny fotoagna. Manomboko izao, ambilé iré izay efa manambady foagna ho karaha ny tsy managna. 30Iré izay mitomagny de tôkony hagnano ho karaha ny tsy mitomagny, iré izay mivanga ho karaha ny tsy managna na ino na ino; 31ary iré izay mampiasa izao tontolo izao de tsy tôkony hagnano karaha ny mpiasa izegny tanteraka. Satria izao tontôlo izao amin'ny endriny avahizo de ho tônga amin'ny fiafaragna.32Tiako anaré ho afaka amin'iré fanahignahiagna. Ny lalahy tsy magnambady de miahiahy ny amin'ny iré raha ny Tompo, ny amin'ny fômba hampifaliagna Ananjy. 33Fô ny lalahy magnambady de miahiahy ny amin'ny rahan'izao tontolo izao, ny amin'ny fômba hampifaligna ny vadiny- 34mirasarasa izy. Ny viavy tsy magnambady na mbôla tsy malala lalahy de miahiahy ny raha ny Tompo, ny amin'ny fômba hanokanagna amin'ny tegna sy ny fagnahy. Fô ny viavy magnambady de miahiahy ny amin'ny rahan'izao tontolo izao, ny amin'ny fômba hampifaliagna ny vadiny.35Volagniko izegny ho an'ny tombotsoanaré manokagna, fô tsy hamétraka izay jiaby sakatsakana aké aminaré. Mivôlagna izegny Zaho noho izay marigny, amin'izay anaré mbô hanolotegna ho an'ny Tompo tsisy fagnelingelenagna.36Kanéfa kô misy ôlogno araiky mihevitra fô tsy mitôndra ny fôfombadiny am-panajagna—kô mihoatra ny taonan'ny fahamariagna ilay viavy ké tsy maintsy kara izegny—de tôkony hagnano izay tiany izy. Tsy manoto izy. Tôkony hitambatra jaré ré. 37kanéfa kô nikasa tsara takô am-pôny izy, izy koa ké tsy ambany faneritiriagna fô afaka mifehy ny sitrapôny manôkagna, izy koa nanapa-kevitra takô am-pôny izy hagnano izegny, mbô hitazomagna ny fôfombadiny ho tsimahalala lilahy, de tsara rà nanöny. 38Ké izay manambady ny fôfombadiny de magnano ny tsara, ké izay misafidy ny tsy hanambady de hagnano ny tsaratsara kokoà aza.39Ny viavy de voafatotra ny vadiny kô mbôla velogna ralilahy. Fô kô maty ny vadiny, de malalaka tsara izy ny hanambady izay ho vadiagna, kanéfa akô amin'ny Tompo foagna. 40Kanéfa amin'ny fitsarako de tôkony ho faly kokoà izy kô miaigna am'izao foagna. ké heveriko fô izaho foagna koa de managna ny Fanahin'Andriamanitra.
Chapter 8

1Ké mahakasiky ny hanina atô sôrogno ho an'ny sampy—haintsika fô: ''Antsika jiaby de manam-pahalalagna.'' Ny fahalalagna mampireharehà, fô fitiavagna manangana. 2Kô misy ôlogno araiky mihevitry ny tegnany fô mahé rahà, de mbôla tsy mahé araka izay tôkony ahezany akory izegny ôlogno izegny. 3Fô kô misy ôlogno araiky mankatià an'Andriamanitra, de hainy izegny ôlogno izegny.4Kôfa ny mahakasiky ny fihinanagna hanina natô sorogno ho an'ny sampy—de haintsika fô ''ny sampy aketo amin'izao tontolo izao de tsinotsinogna'' sady "fa tsisy Andriamanitra kô-tsy araiky foagna.'' 5Fô mety hisy iré mody antsoigna hoe andriamanitra, na agny an-danitry na akéto an-tany, karaha ny hamoronan'iré ''andriamanitra'' sy ny hamoron'iré ''tompo.'' 6Fô ho antsika, ''Araiky foagna no Andriamanitra de ilay Ray, izay avy amin'ny raha jiaby, ké Izy no hivilômantsika, ary araiky no Tompo Jesosy Kristy, izay tamin'ny alalagny no nisian'ny raha jiaby, ké tamin'ny alalagny no nisiantsika.''7Na izegny aza, izegny fahalalagna izegny de mbôla tsy akô amin'ny tsiraikaraiky. Fô kanefa, ny sanasanany také aloha de nampihatra ny fanompoan-tsampy, de nihinagna izegny hanigny izegny toy ny raha natao sôrogno ho an'ny sampy izegny. Noho izegny de simba ny fieretreretan'iré ré satria malemy izegny.8Fô tsy ny hanigna no hagnomé antsika aké amin'Andriamanitra. Fô tsy ratsy indrindra isika raha tsy mihinagna, na koa hoe tsara kokoa raha mihinagna izegny. 9Tandremo mbô tsy ny fahalalanarè no antony hahatônga iré ôlogno osa ara-pinoagna ho tafintohigna. 10Fô ataova karaha ny hoe misy mahita anà, izay manam-pahalalagna, mihinagna ny hanigna akô amin'ny tempolin'ny sampy. Tsy ny halemen'ny fieretreretany vô no nahasahiagna hihinagna izay nomegna ho an'ny sampy?11Koa nohon'ny fahalalanà ny toetra marigna mômba ny sampy, de very ilay rahalahy malemy finoagna araiky, izay nahafatesan'i Kristy. 12Noho izegny, kôfa manota amin'ny rahalahinaré ianaré kô mandratra ny saigna malemin'izy iré, de manota manohitra an'i Kristy ianaré. 13Noho izegny, raha ny hanigna no mahatônga ny rahalahiko ho tafintohigna, de tsy hihinan-kena intsony zaho, mbô tsy avy aminaha no hahalavo ny rahalahiko.

Chapter 9

1Tsy ôlogno vô zaho? Tsy apostoly vô zaho? Tsy nahita an'i Jesosy Tompontsika vô zaho? Tsy asako akô amin'ny Tompo vô anaré? 2Raha tsy apostoly ho an'ny hafa zaho, de farafaharatsiny Apostoly ho anaré. Fô anaré no porofo amin'ny maha-apostoly zaho akô amin'ny Tompo.3Izao no fiarovako amin'iré izay manadihady ahy: 4Moa vô zahay tsy mahazo alalagna ny hihinagna sy hisotro? 5Moa vô zahay tsy mahazo mitondra vady izay mpino, tahaka ny ataon'iré apostoly sanasanany, sy iré rahalahin'ny Tompo, ary Kefasy? 6Sa Barnabasy sy zaho irery no tsy maintsy miasa?7Iza no magnano fagnompoagna miaramila amin'ny fandaniany manôkagna? Iza no mambôly voaloboka ary tsy mihinagna ny voany? Na iza no miandry ondry ké tsy misotro ny ronono avy amin'izegny? 8Moa vô zaho mikoragna iré raha iré mifototra amin'ny fahefan'ny olombelogno? Tsy milaza izegny koa vô ny lalàgna?9Fô izegny de efa voasôratra akô amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: ''Aza asiagna fato-bava ny ômby kôfa miely voa izy.'' Tegna ilay ômby tokoa vô no hiahian'Andriamanitra? 10Tsy mikoragna mômba anay vô izy? Efa nosoratagna ho antsika, fô izay miasa tany de tôkony hiasa amin'ny fanantenagna, ké izay mively de tôkony hively amin'ny fanantenagna ny hahazo anjara amin'ny vokatra. 11Raha namafy raha ara-pagnahy také aminaré zahay, moa be loatra aminay vô ny mijinja raha ara-materialy avy aminaré?12Raha mampihatra izegny zo izegny avy aminaré iré hafa, moa vô zahay tsy managna mihoatra? Na de izegny aza, tsy nitaky izegny zo izegny zahay. Kôfa, naleonay niaritra ny raha rehetra toy izay ho sakagna ho an'ny filazantsaran'i Kristy. 13Moa vô tsy fantatraré fô irè izay manompo akô amin'ny tempoly de mahazo ny sakafon'izy iré avy akô amin'ny tempoly? Ké moa vô tsy fantatraré fô iré izay manompo eny amin'ny alitara de mahazo anjara amin'izay natao fanatitra také amin'ny Alitara? 14Toy izay koa, ny Tompo de nandidy fô iré izay mitory ny filazantsara de tôkony hahazo ny fiveloman'izy iré avy amin'ny filazantsara.15Kanefa tsy nitaky ny araiky tamin'iré zo iré zaho. Ké tsy manôratra an'izao zaho mbô mety hisy raha hatao ho anahy. Aleoko maty toy izay hisy ôlagna hagnala amiko izegny rehareha izegny. 16Fô raha mitory ny filazantsara zaho, de tsisy antony tôkony ireharehako zaho, satria tsy maintsy magnano izegny zaho. Ké loza ho anahy rahy tsy mitory ny filazantsara zaho!17Fô raha magnano izegny an-tsitrapo zaho, de managna valisoa. Fô raha tsy an-tsitrapo kosa, de mbôla managna ny andraikitra izay nankinigna taminahy zaho. 18Inona ary izegny no valisoako? Izay de kôfa mitory zaho, de afaka magnomé ny filazantsara tsisy fandoavam-bôla ké mbô tsy hampiasa tanteraka ny zoko amin'ny filazantsara.19Fô na de afaka amin'ny rehetra aza zaho, de tônga ho mpanompo ho an'ny rehetra, mbô hahazoako bebe kokoa. 20Také amin'ny Jiosy de lasa toy ny Jiosy zaho, mbô hahazoako ny Jiosy. Také amin'iré izay ambanin'ny lalàgna, de lasa toy ny ôlogno izay ambanin'ny lalàgna zaho mbô hahazo iré izay ambanin'ny lalàgna. Nagnano izegny zaho na de tsy také ambanin'ny lalàgna aza ny tegnako. [Fagnamarihagna: Ny baiboly ULB sy ny UDB de mivaky hoe: ''Nagnano izegny zaho na de také ambanin'ny lalàgna aza ny koragnako.'' Ny dika-vôlagna taloha sanasanany de tsy magnisy izegny.]21Tamin'iré izay ivelan'ny lalàgna, de lasa toy ny olagna ivelan'ny lalàgna zaho, na de tsy ivelan'ny lalàn'Andriamanitra aza ny vôlagnako, fô ambanin'ny lalàn'i Kristy. Nagnano izegny zaho mbô hahazoako iré izay ambanin'ny lalàgna. 22Také amin'iré malemy de lasa malemy zaho, mbô hahazoako iré malemy. Tônga raha jiaby ho an'ny ôlogno jiaby zaho, mbô hamonjeko ny sanasanany amin'ny fômba rehetra. 23Magnano ny raha jiaby zaho ho an'ny filazantsara, mbô hafahako mandray anjara amin'iré fitahian'izegny.24Moa vô tsy fantatrarè fô amin'ny fihazakazahagna araiky ny mpihazakazaka jiaby de magnano ny fihazakazahagna, kanefa araiky ihany no mahazo ny loka? Koa mihazakazaha mbô hahazo ny loka. 25Ny alitara araiky de mampihatra ny fifehezan-tegnany amin'ny fanazaran-tegnany jiaby. Magnano izegny izy iré mbô handray satro-boninahitra izay mety simba, kanefa kôfa isika mihazakazaka mbô hahazontsiaka satro-boninahitra tsy mety simba. 26Ké noho izegny de tsy mihazakazaka amin'ny tsisy antony zaho na malemy totohondry amin'ny rivotra. 27Fô feheziko ny tegnako ké ataoko andevo, mbô tsy ho lavitra ny tegnako, jiaby avy nitory tamin'ny hafa zaho.
Chapter 10

1Tiako ho fantatraré, ry rahalahy, fô iré babantsika de takô ambanin'ny rahona avokoa ary namakivaky ny ranomasina. 2Ny jiaby de natô batisa ho amin'i Mosesy takô amin'ny rahona sy takô amin'ny ranomasigna, 3ké ny jiaby de samy nihinagna sakafom-pagnahy mitovy. 4Ny jiaby de nisotro ranom-pagnahy mitovy. Fô izy iré de nisotro tamin'ny vatolampim-pagnahy izay nanaraka azy iré, de Kristy izegny vatolampy izegny.5Fô Andriamanitra de tsy nankasitraka tsara ny ankamaroan'izy iré, ké ny fatin'izy iré de naparitaka tagny agn'efitra. 6Avaizo iregny raha iregny de ohatra, mbô tsy hagniriantsika raha ratsy karaha ny nilan'izy iré.7Aza manômpo sampy, karahà ny sanany tamin-jaré ré. Izegny de karahà izay voasôratra hoe: ''Iré ôlogno nipétraka mbô hihinagna sy hisôtro, ké nitsangana mbô hidôla.'' 8Aoka antsika tsy hijangajanga, karaha ny nanon'ny maro tamin-jaré ré. Takô anatin'ny ndraik'andro, de ôlogno telo arivo sy roy algny no naty nohon'ny amin'iregny.9Aoka hiany koa antsika tsy hitsapa an'iKristy, karaha ny nataon'ny maro tamin-jaré ré ké naringan'iré menarana. 10Aza mimonomonona ihany Koa, karaha ny nataon'ny maro tamin-jaré ré ké naringan'ny anjelin'ny fahafantésagna.11Ké iregny raha iregny no nipoitra tamin-jaré ré mbô ho ôhatra ho antsika. Nosoratagna mbô ho fampianaragna antsika izy iregny—ho amintsika izay niaviàn'ny fara-andro. 12Noho izegny aoka izay mieritreritra ny tegnany ho efa mijôro mitandrigny tsara mbô tsy hianjera. 13Tsisy fakampagnahy nahatratra anaré izay tsy iraisan'ny ôlombelogno jiaby fô ndraiky, Andriamanitra de mahatoky. Tsy haméla anaré ho alaim-pagnahy mihoàtra izay lasanaré Izy. Miaraka amin'ny fakam-pagnahy de hagnamia anré ny lalagna hilifasagna ihany Koa Izy, mbô hafahanaré miaritra izegny.14Noho izegny, ry malalako, milifasa lavitry ny fanompon-tsampy. 15Mivôlagna aminaré karaha ny ôlogno manantsaigna zaho, mbô hafahanaré mitsara izay volagniko. 16Ny kapokan'ny fisaoragna izay isaorantsika, izio mô zégny tsy fiombonagna amin'ny ran'i Kristy? Ny môfo izay vakiàntsika, izio mô zégny tsy fiombônagna amin'ny vatan'i Kristy? 17Satrià araiky foagna ny môfo, antsika izay maro de vatagna araiky. Antsika jiaby de mandray amin'ny môfo araiky foagna.18Zahavo iré fokon'ôlon'Israely: Izio mô zaré izay mihinagna iré fagnatitra tsy mpandray anjara aké amin'ny alitara? 19Inö arkà no ho volagniko? Hoe tsisy dikany mô izegny ny sampy? Sa ny hagnina izay natô fagnatitra tamiin'ny sampy no tsisy dikany?20Fô mikoragna mômban'ny raha izay anön'iré Jentilisa mpanômpo sampy fagnatitra zaho, fô amian-jaré ré an'iré demonia izegny raha izegny fô tsy an'Andriamanitra. Tsy tiako anré ho mpiombona amin'ny demonia! 21Tsy araka misôtro ny kapokan' ny Tompo sy ny kapoakan'ny demonia anaré. Tsy araka miray aké amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatr'iré demonia anaré. 22Sé magnano izay mahasaro-piaro ny Tompo mö antsika? Mahery noho Izy mô antsika?23''Ny raha jiaby de ara-dalàgna,'' fô tsy izegny aha jiaby no mahasoa. ''Ny raha jiaby ara-dalàgna,'' fô tsy izay raha jiaby no mampandrôso ny ôlogno. 24Tsisy tôkony hiaragna ny tômbotsohany magnôkagna. Fô ndraiky, ny tsiraikaraika de tôkony hiaragna ny tômbotsoan'ny namany.25Araka mihinagna izay jiaby amidy egny abazary anaré, fô aza magnotsafa ny fieritreretanà. 26Fô ''An'Tompo ny tany, sy izay jiaby misy aké aminanjy.'' 27Kô misy tsy mpino magnasa anaré ihinagna, ké magniry ny handeha anaré, de hoano izay jiaby mipetraka aké anoloanaré ké aza mametra-panontaniagna ny amin'ny fieritreretagna.28Fô kô misy mikoragna aminaré hoe: ''Itô hanigna tô de avy amin'ny fagnatitry ny mpanômpo sampy,'' de aza mihinagna izegny. Izegny de ho an'ilay nampahafantatra anaré, sy ho an'ny fieritreretagna. [Fagnamarihagna: Ny dika-teny talôha sanany de magnampy hoe: ''Fô n'y tany sy ny raha jiaby akô aminy de an'ny Tompo.'' Fô ny dikan-teny tsara indrindra de tsisy izegny. ] 29Tsy mikoragna zaho hoe ny fieritreretanà magnokana, fô ny fieritreretan'ny ôlon-kafa. Nahoagna no tôkony ho tsarain'ny fieritreretan'ny hafa? 30Kô mandray anjara amin'ny hanigna am-pankasitrahagna Zaho, nahoagna no tivitivaigna amin'izay nanamiazako fisaoragna?31Noho izegny, na mihinagna na misôtro anaré, na ino na ino anönaré, de anö ho voninahitr'Andriamanitra avokoa. 32Aza magnomia fagnafitohinagna ny Jiosy na ny Grika, na ny fiangonan'Andriamanitra. 33Miezaka ny hahafaly ny ôlognon-jiaby amin'ny raha jiaby zaho. Tsy miaragna ny tombotsoako zaho, fô ny an'ny maro. Anokö izegny mbô ho voavonjy zaré ré.

Chapter 11

1Alaivo tahaka zaho, karaha anahy mpalaka tahaka an'i Kristy. 2Ké midèra anré zaho satrià mahatsiaro anahy amin'ny raha jiaby anré. Midèra anaré zaho satrià mitazogna mafy ny fômbafômba karaha izay nanolorako ananjy iré také aminaré anaré. 3Ké tiako ho azonaré fô Kristy no lôhan'ny lalahy jiaby, fô ny lilahy no lôhan'ny viavy, ary Andriamanitra no lôhan'i Kristy. 4Ké magnala vogninahitra ny lôhany iré lalahy izay mivavaka na maminagny ké mirako-dôha.5Fô magnala vogninahitra ny lôhany iré viavy izay mivavaka na maminagny tsy mirakodôha. Fô tsy hafa ary mitôvy amin'ny hoe viavy manaratra ny lôhany izegny. 6Fô izy koà tsy mirakodôha ny viavy, de tôkony tapahigna ho foika ny randrany. Izy koà mahamenatra ny viavy ny manapaka ny randrany na ny manaratra ny lôhany, de ambélay izy handrakotra ny lôhany.7Fô tsy tôkony handrakotra ny lôhany ny lalahy, satria izy no sary sy voninahitr'Andriamanitra. Fô ny viavy de voninahitry ny lalahy. 8Fô ny lalahy de tsy natao avy tamin'ny viavy. Fa kosa, ny viavy no natao avy tamin'ny lalahy.9Fô tsisy lalahy noforonigna ho an'ny viavy. Fô ndraiky, ny viavy no noforonigna ho an'ny lalahy. 10Izegny no tôkony hanan'ny viavy ny mariky ny fahifagna aké amin'ny lôhany,noho iré anjely.11Na izegny aza, akô amin'ny Tompo, tsy mahaleo-tegna amin'ny lalahy ny viavy, na ny lalahy mahaleo-tegna amin'ny viavy. 12Fô izikô avy amin'ny lalahy ny viavy, de ny lalahy koà de avy tamin'ny viavy. Fô avy amin'Andriamanitra ny raha jiaby.13Tsarao ny tegnanaré: mety amin'ny viavy mô ny mivavaka amin'Andriamanitra tsy mirakodôha? 14Tsy ny natiora mihintsy aza mé nö mampianatra anaré fô kô ny lalahy no lava randrana, de fahafaham-baraka ho ananjy izegny? 15Tsy mampianatra anaré mô ny natiora fô kô ny viavy no lava randrana, de voninahitra ho ananjy izegny? Fô namiagna ananjy ny randrany mbô handrakotra ananjy. 16Fô kô misy te-hiady hevitra amin'iregny, de tsy manana fampiaragna hafa zahéy, na iré fiangonan'Andriamanitra.17Fô anatin'iré tôrolalgna magnaraka, de tsy midèra anaré zaho. Fô izikô miara-tônga anaré, de tsy ho amin'ny tsara izegny fô ho amin'ny ratsy indrindra. 18Fô tamin'ny vôalôhagny indrindra, de regniko fô kôfa miaraka miangona akô amin'ny fiangonagna anaré, de misy fizarazaragna aké aminaré, ké mino izegny amin'ny ampahany zaho. 19Fô tsy maintsy misy fitsitôkotokoagna aké aminaré, mbô hankasitrahagna aké aminaré iré izay nikegna.20Fô ndraiky miangogna anaré, de tsy ny fanasan'ny Tompo no hoaninaré. 21Ndraiky mihinagna anaré, de samy mihinagna ny sakafony manônkagna ny tsiraikaraiky alohan'ny hihinanan'iré hafa. Noana ny araiky, kô ny hafa lasa mamo. 22Tsy managna tragno isakafoanagna sy isotroagna vô anaré? Ho tsiraharahinaré vô ny fiangonan'Andriamanitra ké hahetrinaré izay tsy managna na ino na ino? Ino no tôkony ho volagniko aminaré? Tôkony hidera anaré vô zaho? Tsy hidera anaré amin'izay zaho!23Fô noraisiko avy amin'ny Tompo ihany koa izay ampitaiko anaré, fô Jesosy Tompo, tamin'ny aligna izay namadihagna azy, de naka mofo. 24Ndraiky avy nisaotra izy, de nanapaka izegny ké nivolagna hoe: ''Ity ny vatako, izay ho anaré. Ataovo izao ho fahatsiarovagna ahy.''25Mitôvy amin'izay koa de noraisigny ny kapoaka ndraiky avy nisakafo hariva, ké nivolagna Izy hoe: ''Ity kapoaka ity no fanekegna vaovao akô amin'ny ràko. Ataovo izao na oviagna na oviagna anaré no misotro, ho fahatsiarovagna Ahy.'' 26Amin'ny fotoagna jiaby izay hinananaré ity mofo ity sy hisitroanaré akô amin'ity kapoaka ity, de magnambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny anaré.27Na zôvy na zôvy, noho izegny, mihinana ny mofo na misotro amin'ny kapoakan'ny Tompo amin'ny fômba tsy mendrika, de ho meloka ny amin'ny vatagna sy ny ràn'ny Tompo. 28Aoka handinika ny tegnany alôha ny ôlogno, ké amin'izegny de aoka hihinagna ny mofo ké hisotro amin'ny kapoaka izy. 29Fô izy izay mihinagna sy misotro ké tsy mahafantatra ny vatagna, de mihinagna sy misotro fitsaragna ho an'ny tegnany. 30Izegny no mahatônga ny maro aminaré ho osa sy marary, kè ny sanany aminaré ho maty.31Fô raha mandin-tegna isika, de tsy ho tsaraigna. 32Fô rehefa voatsaran'ny Tompo isika, de mpagnara-dalàgna, mbô tsy ho voaheloka miaraka amin'izao tontolo izao.33Noho izegny, ry rahalahiko, rehefa miangogno mbô hihinagna anaré, de mifampiandrasa. 34Raha misy ôlogno araiky noana, aoka izy hihinagna any an-dragno, amin'izay rehefa miangogna ianaré de tsy ho amin'ny fitsaragna izegny. Ké mahakasika iré raha hafa izay nosoratanaré, de hagnome toro-lalagna zaho ndraiky tônga.

Chapter 12

1Mômba iré fagnomezam-pagnahy, ry rahalahy, de tsy tiako tsy ahafantatra anaré. 2Fantatraré fô fony anaré mpanompo sampy, de voavily nankagny amin'aré sampy tsy manam-peo anaré, tagny amin'izay lalagna jiaby nitarihin'iregny anaré. 3Noho izegny tiako ho fantatraré fô tsy misy ôlogno izay mivolagna amin'ny fagnahin'Andriamanitra afaka mivolagna hoe: ''Jesosy de voaozogno.'' Tsisy afaka mivolagna hoe: ''Jesosy de Tompo,'' afa-tsy amin'ny alalan'ny Fagnahy Masigna.4Ké misy fagnomezam-pagnahy samihafa, fô fagnahy mitovy ihany. 5Misy fanompoagna samihafa, fô Tompo mitovy ihany; 6ké misy karazan'asa samihafa, fô Andriamanitra mitovy ihany no managna azy iré ho azo atao amin'ny tsiraikaraiky.7Ké ho an'ny tsiraikaraiky no nomegna ny fanehoagna ivelan'ny Fagnahy ho an'ny tombotsoan'ny jiaby. 8Fô ho an'ny ôlogno araiky de nomegna avy amin'ny Fagnahy ny volagnan'ny fahendregna, ké ho an'ny araiky hafa ny volagnan'ny fahalalagna amin'ny alalan'ny Fagnahy mitovy ihany.9Ho an'ny araiky hafa de nomegna ny finoagna amin'ny alalan'ny Fagnahy mitovy, ké ho an'ny araiky hafa iré fagnomezam-pahasoavagna hagnasitragna amin'ny alalan'ny Fagnahy araiky. 10Ho an'ny araiky hafa de nomegna iré asan'ny hery, ké ho an'ny araiky hafa faminaniagna. Ho an'ny araiky hafa de nomegna ny fahafahagna manavaka iré fagnahy, ho an'ny araiky hafa iré karazagna volagna samihafa, ké ho an'ny araiky hafa ny fandikagna volagna. 11Fô ny Fagnahy araiky sy mitovy ihany no miasa akô amin'izegny jiaby izegny, magnome iré fagnomezam-pagnahy ho an'ny ôlogno tsiraikaraiky avy, araka izay nofidiany.12Fô satria ny vatagna de araiky ké managna rantsagna maro ké ny jiaby de rantsan'ilay vatagna ihany, noho izegny de miaraka amin'i Kristy izegny. 13Fô tamin'ny alalan'ny Fagnahy araiky no nanaovagna batisa antsika jiaby ho vatagna araiky, na iré Jiosy na iré Grika, na voafatotra na afaka, ké ny jiaby de natao mbô hisotro amin'ny Fagnahy araiky.14Fô ny vatagna de tsy rantsagna tôkagna, fô maro. 15Raha mivolagna ny tongotra hoe: ''Satria tsy tanagna zaho, de tsy rantsagna amin'ny vatagna zaho,'' izegny de tsy kely amin'ny rantsan'ny vatagna akory. 16Ké raha ny tadigny no hivolagna hoe: ''Satria tsy maso zaho, de tsy rantsagna amin'ny vatagna zaho ,'' izegny de tsy kely amin'ny rantsan'ny vatagna akory. 17Raha maso ny vatagna jiaby, de ho aiza ny fandrenesagna? Raha tadigny ny vatagna jiaby, de ho aiza ny fanimboloagna?18Fô Andriamanitra nandamigna ny rantsan'ny vatagna tsiraikaraiky araka ny namorognany izegny. 19Raha rantsagna mitovy ihany izy jiaby, aiza no hisy ny vatagna? 20Kô izao de rantsagna maro izy iré, fô vatagna araiky ihany.21Ny maso tsy afaka mivolagna amin'ny tanagna hoe: ''Tsisy ilàko anà.'' Na ny loha tsy hivolagna amin'ny tongotra hoe: ''Tsisy ilàko anà.'' 22Fô iré rantsagna amin'ny vatagna izay miseho ho malemy kokoa de tegna ilaigna, 23ké iré rantsan'ny vatagna izay heverintsika fô tsy de manan-danja, de omentsika lanja lehibe kokoa iré, ké iré rantsantsika tsy fampiseho de managna fahamendrehagna mihoatra. 24Ké ny rantsantsika fampiseho de tsy mila entigna amin'ny fahamendrehagna, fô iré de efa managna fahamendrehagna. Fô Andriamanitra nampikambagna ny rantsagna jiaby miaraka, ké izy nagnome lanja kokoa an'iré izay tsy ampy izegny.25Nagnano izegny Izy mbô tsy hisy fisarahagna aké amin'ny vatagna, fô mbô hifampikarakara amin'ny fitiavagna mitovy iré rantsagna. 26Noho izegny rehefa mijaly ny rantsagna araiky, de mira-mijaly iré rantsagna jiaby; na rehefa omen-danja ny rantsagna araiky, de miara-mifaly ny rantsagna jiaby. 27Ké ianaré de vatan'i Kristy ké rantsagna amin'izegny ny tsiraikaraiky.28Ké Andriamanitra nanendry takô amin'ny fiangonagna iré apostoly aloha, faroy iré mpaminagny, fahatelo iré mpampianatra, avy aké iré fagnomezam-pahasoavagna hagnasitragna, iré izay magnome fagnampiagna, iré izay magnano ny asan'ny fitantanan-draharaha, ké iré izay magnano karazagna fivolagna samihafa. 29Apostoly vô izy jiaby? Mpaminagny avokoa vô? Mpampianatra avokoa vô? Magnano asa mahagaga avokoa vô ny jiaby?30Magnano fagnomezam-pagnahy hagnasitragna vô izy jiaby? Mivolagna amin'ny fivolagna tsy fantatra vô izy jiaby? Mandika volagna vô izy jiaby? 31Katsaho fatratra iré fagnomezam-pagnahy lehiby kokoa. Fô hampiseho anaré lalagna tsaratsara kokoa zaho.

Chapter 13

1Na de atô hoe mivolagna amin'ny fivolagnan'iré ôlogno sy iré anjely aza zaho. Fô raha tsy managna fitiavagna, de tônga vy magneno na kipantsogna mikarantsam-peo zaho. 2Na de atô hoe managna fagnomezan'ny faminaniagna ké mahafantatra iré misitery sy fahalalagna jiaby aza zaho, ké managna ny finoagna jiaby afahagna mamindra iré tendrombohitra. Fô raha tsy manam-pitiavagna, de tsinontsinogna zaho. 3Na de atô hoe magnome izay jiaby anagnako hamahanagna ny mahantra aza zaho, ké manolotra ny tegnako ho doragna. Fô raha tsy manam-pitiavagna, de tsy mahazo na ino na ino zaho. [Fagnamarihagna: Ny ULB sy ny UDB de samy managna dika-volagna maro, mivaky toy izao hoe: ''Homeko mbô ho doragna ny tegnako.'' Ny dika-volagna sanasanany kosa de mivaky hoe: ''Homeko ny tegnako mbô ho reharehako.'']4Ny fitiavagna de mahari-po sady tsara fagnahy. Ny fitiavagna de tsy mitsiriritra na mirehareha. Tsy miavogna 5na magnano izay tsy mahamendrika. Tsy tia tegna. Tsy mora tezitra, na mitanisa fahadisoagna. 6Tsy mifaly amin'ny tsy fahamarinagna. Fô kosa, mifaly amin'ny fahamarinagna. 7Ny fitiavagna de mandefitra ny raha jiaby, mino ny raha jiaby, matoky raha jiaby, ké mahiratra ny raha jiaby.8Tsy ho tapitra mandrakizay ny fitiavagna. Kô misy faminaniagna, de ho levona iré. Kô misy fivolanagna amin'ny teny tsy fantatra, hitsahatra iré. Kô misy fahalalagna, de ho levona izegny. 9Fô antsika de mahafantatra amin'ny ampahany ké maminagny amin'ny ampahany. 10Fô kô Tonga ilay tegna lafatra, de ho levona izay tsy tantéraka.11Tamin'ny mbôla zaza zaho, de nikoragna karaha ny zaza, nieritreritry karaha ny zaza, nisaigny karaha ny zaza. Kôfa mahaventy zaho, de nambelako ny fahazazagna. 12Fô avaizo antsika de mahita tsy mivantagna amin'ny fitaratra, fô rahatrizay de hifagnatri-tava. Avaizo zaho de mahafantatra amin'ny ampahagny, fô avy aké zaho de hahafantatra tantéraka karaha ny nahafantaragna anahy tantéraka. 13Fô avaizo de ireto telo ireto no mitoetra: ny finoagna, ny fagnantiniagna rahatrizay ndraiky ny fitiavagna. Fô ny mahavénty indrindra amin'iré de ny fitiavagna.

Chapter 14

1Miaragnà fitiavagna ké manàgna zotom-pô amin'iré fagnomezam-pagnahy, indrindra fô ny mbô haminaninaré. 2Fô izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra de tsy mikoragna amin'ôlogno fô amin'Andriamanitra. Fô tsisy mahazo ananjy satria mikoragna raha mivogny akô amin'ny fagnahy izy. 3Fô izay maminagny de mikoragna amin'ôlogno mbô ho fampiorenagna ananjy iré, ho fampirisihagna ananjy iré, ary fampiononagna ananjy iré. 4Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra de manorigna ny tegnany, fô izay maminagny de manorigna ny fiangonagna.5Avaizo de magniry anaré jiaby hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra zaho. Fô mbôla mihoatra noho izegny aza, magniry Zaho ny haminaninaré. Izay miminagny de mahavénty kokoà noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra (kô tsy hoe misy ôlogno araiky mandika teny ké mbô mety hioregnan'ny fiangonagna). 6Fô avaizo, ry rahalahy, kô tônga aké aminaré amin'ny fiteny tsy fantatra zaho, ino no tombon-tso amiako anaré amin'izegny? Tsy araka Zaho, kô tsy hoe mikoragna aminaré amin'ny fanambaragna, na fahalalagna, Na faminaniagna, na fampianaragna.7Kô mamoàka feo iré raha maneno tsy manan'aina—karaha ny sodina na lokanga—ké tsy mamoàka lantom-peo samihafa iré, ahoagna no hahafantaran'ny ôlogno izay melodia aboakan'ny sodina na ny lokanga? 8Izy koà magnano feo hafahafa ny trompétra, ahoagna no hahafantaran'ny ôlogno kôfa fotoagna hiomanagna amin'ny ady? 9Ké karan-jégny ndraiky koa ny aminaré. Kô tsy mazava ny koragna aboaka ny vavanaré, ahoagna no hahafantaran'ny ôlogno izay novolagninaré? hikoragna anaré, fô tsisy hahazo anaré.10Misy fivolanagna maro samihafa akéto amin'izao tontôlo izao, ké tsisy amin'iregny no tsisy dikany. 11Fô izikoà tsy mahafantatra ny dikan'ny fivolanagna araiky zaho, de ho vahigny amin'izay mivôlagna, ké izay mivôlagna ho vahigny aminahy.12Karaha izégny ndraiky koa ny aminaré. Satria magniry fatratra ny fihitsehan'ny Fagnahy anaré, manàna zotom-pô mbô hiroborobo amin'ny fanorenagna ny fiangonagna. 13Noho izegny izay mivôlagna amin'ny fiteny tsy fantatra de tôkon'ny hivavaka mbô hafagny mandika teny. 14Fô izikoa mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra zaho, de mivavaka amin'ny fagnahiko, fô ny saiko tsy mamoa.15Inö no tôkon'ny ho ataoko? Hivavaka amin'ny fagnahiko zaho, fô hivavaka amin'ny saiko ihany koà. Hihira miaraka amin'ny fagnahiko zaho, ary hihira miaraka amin'ny sainako ihany koà. 16kô tsy izegny, kô midèra an'Andriamanitra miaraka amin'ny fagnahy anaré, karakôry no hivolanan'ny vahigny hoe ''Amena'' kôfa mangamia fisaoragna anà izy koà ka tsy fantagny izay volagninà.17Fô anà de tegna magnamia fisaoragna tsara ihany, fô ny ôlo hafa tsy miorigna. 18Misaotra an'Andriamanitra zaho fô mikoragna amin'ny fiteny tsy fantatra mihoàtra noho anaré jiaby. 19Saingy agny am-piangonagna de aleoko miteny ny teny dimy araka ny fahazoako mbô hafahako mampianatra iré hafa, toy izay teny iray aligna amin'ny fiteny tsy fantatra.20Ry rahalahy, aza mbô zaza amin'ny fihevitraré. Fô ndraiky, kô amin'ny ratsy, de manaova karaha ny zaza. Fô amin'ny fihevitraré de aoka ho matotra anaré. 21Akô amin'ny lalàgna de voasôratra hoe: ''Amin'ny alalan'ny ôlogna hafa fitegny sy amin'ny alalan'ny molotry ny vahigny de hikoragna amin'ireto ôlogna ireto zaho. Nade tsy haregny Anahy aza izy iré,'' aozy ny Tompo.22Noho izegny iré fitegny tsy fantatra de famantaragna, tsy amin'iré mpino, fô amin'iré tsy mpino. Fô ny amin'ny faminanigna ndraiky de ho famantaragna, tsy ho an'iré tsy mpino, fô ho an'iré mpino. 23Noho izegny, izikoà ké, miara-miangona ny fiangonagna jiaby ké mitegny amin'ny fiteny tsy fantatra jiaby, ké miditra iré vahigny sy tsy mpino, tsy ho volagnin-jaré ré fô adala mô anaré?24Fô kô naminagny jiaby anaré jiaby ké nisy tsy mpino na vahigny niditry, de ho resy lahatra amin'izegny jiaby regniny izy. Ho tsaraigna amin'ny alalan'izegny jiaby vôalaza izy. 25Ho ambara ny tsiambaratelo akô am-pôny. Vokatr'izegny, hiankôhoka izy ké hitsaoka an'Andriamanitra. Hagnambara izy fô tegna akô aminaré Andriamanitra.26Inö izégny no magnaraka, ry rahalahy? Kôfa tafatambatra anaré, ny tsiraikaraika de managna salamo, fampianaragna, fanambaragna, fiteny tsy fantatra, na fandikan-teny. Anö ny raha jiaby mbô hanoregnanaré ny fiangonagna. 27Kô misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ambilé hisy arö na farafahabétsagny telo akéo, ké mandihàna tsiraikaraika, avaké de tôkony hisy araiky handika ny teny izay voalaza. 28Fô kô tsisy mpandika teny, ambilé ny tsiraikaraika amin-jaré ré hitazogna fahanginagna akô am-piangonagna. Ambilé ny tsiraikaraika hikoragna mitôkagna amin'ny tegnany sy amin'Andriamanitra.29Ambilé hikoragna ny mpaminagny arö na telo, ary ambilé iré hafa hitandregny amin'ny fahaiza-manavaka izay voalaza. 30Fô kô misy fanatitra amiagna izay mipetraka akô amin'ny fanompoagna, ambilé hangina ilay araiky izay mikoragna.31Fô ny tsiraikaraika aminaré de afaka mifandimby maminagny mbô hafahan'ny tsiraikaraika mianatra ké mbô hahery ny jiaby. 32Fô ny fagnahin'iré mpaminagny de akô ambanin'ny fagnaraha-mason'iré mpaminagny. 33Fô Andriamanitra de tsy Andriamanitry ny fikorontanagna, fô ny fiadanagna. Izégny no fitsipika ho an'iré fiangonan'iré mpino jiaby.34Ny viavy de tôkony hitazogna fahanginagna akô am-piangonagna. Satria tsy mahazo alalagna hikoragna izy iré. Fô ndraiky, tôkony hagneky izy iré, karaha ny ambaran'ny lalàgna. 35Kô misy irian-jaré ré hianaragna, ambilé hagnotsafa ny vadiny agny an-tragno izy iré. Fô mahaménatra ho an'ny viavy ny mikoragna akô am-piangonagna. 36Avy aminaré mô no niaviàn'ny tenin'Andriamanitra? Anaré izy raika mô no vôakasik'izegny?37Kô misy mieritreritra ny tegnany ho mpaminagny na ara-pagnahy, de tôkony hagneky izy fô iré raha izay soratako aminaré de didin'ny Tompo. 38Fô kô misy tsy magneky izégny, de ambilé izy tsy ho ikéna. [Fagnamarihagna: Ny ankamaroàn'ny dikan-teny, akô anatin'izegny ny ULB sy UDB, de mamaky hoe: ''Fô kô misy tsy magneky izégny, de aoka tsy ho ikéna izy.'' Ny dikan-teny sanany talôha magnano hoe: ''Izy koà misy tsy mahalala izegny, de ambilé izy tsy hahalala izegny.'']39Kôa amin'izegny, ry rahalahy, magnirià fatratra ny naminagny, ké aza mandrara anjôvy na izôvy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra. 40Fô ambilé ny raha jiaby atao araka ny tôkony ho izy sy am-pilaminagna.
Chapter 15

1Avaizo mampahatsiahy anré zaho, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay nivolagniko taminaré, izay noraisinaré sy izay ijoroanaré. 2Amin'ny alalan'izegny filazantsara izégny no vavoavonjy anaré, kô mitazogna mafy amin'ny teny notoriako taminaré anaré, kô tsy hoe ninöninö foagna.3Fô natolotro ho zavadehibe voalôhagny ho anaré izay voaraiko ndraiky koa: fô naty ho an'ny fahotantsika Kristy araka ny Sôratra Masigna, 4ké nalevigna Izy, ary Izy de natsangana tamin'ny naty tamin'ny andro fahatelo araka ny Sôratra Masigna.5Kristy de niseho tamin'i Kefasy, ary avy aké tamin'iré roa ambin'ny fôlo; 6avy aké de niseho indray mandeha tamin'iré rahalahy mihoàtry ny dimanjato Izy. Mbôla velogna ny ankamaroàn-jaré ré, fô ny sanany de nodimandry. 7Ava aké Izy niseho tamin'i Jakoba, avy aké tamin'iré apostoly jiaby.8Tegna farany, de niseho taminahy Izy, karaha ny hoe tamin'ny zaza téraka tsy tônga vôlagna. 9Fô zaho no hely indrindra amin'iré apostoly. Zaho de tsy mendrika ny antsoigna hoe apostoly satrià nanenjiky ny fiangonan'Andriamanitra zaho.10Fô nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra no naha tônga anahy karan'izao, ké tsy foagna ny fahasoavagny aminahy akato. Fô ndraiky, niasa mafy kokoà zaho noho izy jiaby. Kanéfa tsy zaho izegny, fô ny fahasoavan'Andriamanitra izay miaraka aminahy. 11Noho izegny na zaho izegny na zaré ré, karaha ny nitorianay de karaha izegny no ninoànaré.12Avaizo kô nambara fô Kristy de nitsangana tamin'ny maty, ahoagna no hafahan'ny sanany aminaré mivôlagna fô tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty? 13Kanéfa kô tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty, de tsy natsangana aby Kristy; 14kanéfa kô tsy natsangana Kristy, foagna ny fitoriananéhy, ary foagna ihany koà ny finoanaré.15Koa, de hita ho vavolombelogno diso mômban' Andriamanitra zahay satrià nijoro vavolombelogno nanôhitra an'Andriamanitra, nivôlagna hoe natsangany Kristy kôfa tsy nagnano izégny Izy. 16Koa tsy natsangana ny maty, de na Kristy aza tsy natsangana; 17ary koa tsy natsangana Kristy, de foagna ny finoagnanaré ary de mbôla akô amin'ny fahotagnanaré anaré.18Ary izégny jiaby maty akô amin'i Kristy de efa very foagna koà. 19Kô amitô fiainagna itô foagna no ananantsika tôky amin'ny ho avy akô amin'i Kristy,de antsika no mampainankinaka indrindra amin'ny ôlono jiaby.20Fô avaizo de efa natsangana tamin'ny maty Kristy, ilay voaloham-bokatr'iré izay maty. 21Fô satria tônga tamin'ny alalan'ny ôlogna araiky ny fahafatesagna, de avy tamin'ny alalan'ny ôlogna araiky foagna koà no nihavian'ny fitsanganagna amin'ny maty.22Fô karaha ny nahafatesan'ny jiaby takô amin'i Adama, de ho velomigna akô amin'i Kristy foagna koà ny jiaby. 23Kanéfa samby akô amin'ny filaharany manôkana ny tsiraikaraika: Kristy, ilay voaloham-bôkatra, ary avy aké iré izay an'i Kristy de ho atao velogna amin'ny fiaviany.24Avy aké de ho tônga ny farany, kôfa hamian'i Kristy ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakagna. Izegny de kôfa hagnafoagna ny fitsipika jiaby sy ny fahefagna jiaby ary ny hery Izy. 25Fô tsy maintsy manjaka Izy mandra-pamerany ny fahavalony jiaby akô ambanin'ny tongony. 26Ny fahavalo farany ho haringagna de ny fahafatesagna.27Fô nambelany také ambanin'ny tongony jiaby ny raha jiaby.'' Fa voalaza fô: ''Izy no nametraka ny raha jiaby,'' de mazava tsara fô tsy tafiditra akô anatin'izegny ilay araiky nametraka ny raha jiaby hagneky ny tegnany. 28Kôfa magneky Ananjy ny raha jiaby, de ny Zanaka mihintsy no hagneky ilay araiky izay nampagneky ny raha jiaby ho Ananjy. Hiseho izegny mbô ho jiaby akô amin'ny jiaby ny Andriamanitra Ray.29Na koa inona no ilaina iré izay vita batisa ho an'ny maty? Izy koà tsy natsangana mihintsy ny maty, nahoana izy iré no natao batisa ho an'izy iré? 30Nahoana ary, antsika no am-bavaloza isan'ora?31Miatrika fahafatesagna isan'andro zaho! Izegny de azo antoka karaha ny fireharehako ny aminaré, izay azako akô amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. 32Inona no tômbony azoko, avy amin'ny fômba fizahavan'ny ôlombelagna, kô niady tamin'ny biby takô Efesosy zaho, kô tsy natsangana ny maty? ''Aoka antsika hihinagna sy hisôtro satria ho faty antsika amaraigna.''33Aza mety ho fitahana hoe: ''Mandratra ny fisainana tsara ny naman-dratsy.'' 34Mandiniha! Miainà am-pahamarinagna! Aza manohy manota! Fô ny sanany aminaré de tsy managna fahalalagna an'Andriamanitra. Mivôlagna izégny ho amin'ny fahamenaranaré zaho.35Fô ny ôlogna araiky hivôlagna hoe: ''Ahoana no hanangonagna ny maty, ary amin'ny karazana vatana inona no hatongavan'izy iré?'' 36Tsy mahalala na ino na ino ianaré! Izahay hafafinaré de tsy hanômboka hitômbo kô tsy maty izégny.37Izay hafafinaré de tsy ny vatana izay ho avy, fô ny voa foagna. Izégny de mety ho lasa vary na raha hafa. 38Fô hamian'Andriamanitra ananjy ny vatana araka izay safidiany, ary somby amin'ny vatany avy ny voa tsiraikaraika. 39Tsy ny nôfotro jiaby no mitôvy. Fô ndraiky, araiky ny nôfotron'ny ôlombelogna, de hafa ny nôfotron'iré biby, ary nôfotro hafa ny an'iré vôrigno, ary hafa ny an'ny hazandrano.40Misy ihany koà iré vatana agny an-dagnitry sy iré vatan'ny akéto an-tany. Fô karazana araiky foagna ny voninahitry ny vatana agny an-dagnitry ary hafa ny voninahitry ny akéto an-tany. 41Araiky ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary voninahitra hafa ny an'iré kintana. Fô ny kintana araiky miavaka amin'ny kintana araiky hafa amin'ny voninahitra.42Karaha izegny kôa ny fitsanganana amin'ny maty. Izay afafy de mity Simba, 43afafy tamin'ny fahafaham-baraka izégny; de natsangana am-boninahitra. Afafy tamin'ny fahalemena izégny; de natsangana tamin'ny hery. 44Afafy amin'ny vatana voajanahary izégny; de atsangana ho vatana ara-pagnahy. Kô misy vatana voajanahary, de misy vatana ara-pagnahy ihany koà.45Ary efa voasôratra ihany koà fô: ''Lasa fagnahy velogna Adama ilay lalahy voalôhany'' Ilay Adama faragny de lasa fagnahy manamia fiainagna. 46Fô tsy ara-pagnahy no tônga voalôhagny fô ny voajanahary, ary avy také ny ara-pagnahy.47Ny ôlogna voalôhany de avy amin'ny tany, namboarigna tamin'ny vovoka. Ny ôlogna faharoy de avy agny an-dagnitry. 48Karaha ilay araiky namboarigna tamin'ny vovoka, karaha izegny kôa ilay ôlogna agny an-dagnitry, ary karaha izegny ihany koà iré izay avy agny an-dagnitry.. 49Karaha ny nitondrantsika ny endrik'ilay ôlon'ny vovoka, de hitôndra ny endrik'ilay ôlon'ny lagnitra ihany koà antsika.50Ké izao no volagniko, ry rahalahy, fô ny nôfo aman-drà de tsy afaka ny handôva ny fanjakan'Andriamanitra. Na izay mety simba handôva izay tsy mety simba. 51Egy! Raha marigna miafigna no ho volagniko aminaré hoe: tsy ho faty jiaby antsika jiaby, fô hovaigna jiaby antsika jiaby.52Hiôva antsika amin'ny fotoagna araiky, ao anatin'ny indraika mipi-maso, amin'ny trompetra faragny. Haneno ny trompetra, ké iré maty de hatsangana ho tsy mety lo, ké de hovaigna antsika. 53Fô itô vatana mety simba itô de tsy maintsy hitafy izay tsy mety lo, ké itô vatana mety maty tô de tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesagna.54Fô kôfa mitafy ny tsy mety simba tô vatana mety simba tô, izy kôfa mitafy ny tsy fahafantésagna tô vatana mety maty tô, de ho tônga amin'ilay koragna izay voasôratra hoe, "Voateligna tamin'ny fandresegna ny fahafatésagna.'' 55''Ry fahafatésagna, akéza ny fandresenà? Ry fahafatésagna, akéza ny fanindronanà?''56Ny ota no fanindron'ny fahafatésagna, ké ny herin'ny ota de ny lalàna. 57Fô isaoragna Andriamanitra, izay magnamia antsika ny fandresegna amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika!58Noho izegny, ry rahalahy malalako, mioregna tsara ké aza miozongozona. Miroboroboa mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satrià fantatraré fô tsy very maina ny asanaré akô amin'ny Tompo.

Chapter 16

1Ké mahakasiky ny fanangonam-bôla ho an'iré mpino, karaha ny nanoroako lalagna ny fiangonan'i Galatia, de karaha izegny kôa no tôkony anönaré. 2amin'ny andro voalôhan'ny herignandro, de tôkony hanôkagna raha ny tsiraikaraika aminaré ké hitahiry izégny araka izay vitanaré. Anö izégny mbô tsy hisian'ny fanangonam-bôla kôfa tônga zaho.3Kôfa tônga zaho, na zôvy na zôvy ikenaré, de aléfako miaraka amin'ny taratasy mbô hanolorako ny fanatitraré ho an'i Jerosalema. 4Izy kôa ké mety aminahy ihany koà ny mandeha, de handeha hiaraka aminahy zaré.5Fô ho avy agny aminaré zaho kôfa mandalo akagny Makedonia. Fô handalo akagny Makedonia zaho. 6Mety afaka hidôko miaraka aminaré zaho na mandritra ny ririnina mihintsy aza, mbô hahafahanaré magnampy anahy amin'ny diàko, na akeza na akeza ombako.7Fô tsy magniry ny hahita anaré mandritra ny fotoagna fohy zaho zao io. Fô manantegna ny hitoetra maharitra miaraka aminaré, kô ambélan'ny Tompo. 8Fô hidôko akô Efesaosy zaho mandra-pahatôngan'ny Pentekosta, 9Fô efa varavarana malalaka no nisôkatra ho anahy, ké misy fahavalo maro.10Izikoa tônga Timoty, de ezaho mbô tsy hatahotra izy miaraka aminaré, fô magnano ny asan'ny Tompo izy, karaha ny anöko. 11Aza ambéla hisy ôlogno hagnano tsinotsinogna ananjy. Ampiao izy amin'ny lalany amin'ny fiadanagna, mbô hafahagny maké aminahy. Fô manantégna ananjy mbô ho tônga hiaraka amin'iré rahalahy zaho. 12ké mahakasika an'i Apolosy rahalahintsika, de nampirisika ananjy mafy zaho mbô hamangy anaré miaraka amin'iré rahalahy. Fô mbôla tsy vonogna tantéraka ny ho avy izy izao. Na izagny aza, ho tônga izy kôfa mety ny fotogna.13Miambéna, mijoroa tsara amin'ny finoagna, miasà karaha lalahy, mahereza. 14Aoka ho atao am-pitiavagna izégny anonà jiaby.15Hainaré ny fianakiviagnan'i Stefanasy, fô zaré ré no niôva fô voalôhagny takô Asaia, ké zaré ré no namétraka ny tegnanjaré ré ho amin'ny fanompoagna iré mpino. Ké mamporisika anaré zaho, ry rahalahy, 16mbô hagneky ny ôlogno karaha izegny sy amin'ny ôlogno jiaby izay magnampy amin'ny asa sy miasa miaraka aminay.17Mifaly amin'ny fahatongavan'i Stefanasy, Fortinatasy, ary Akaiosy zaho. Nameno ny tsy naha-teo anaré zaré ré. 18Fô namelombelogna ny fagnahiko sy ny anaré zaré ré. Ké noho izegny, fantaro ny ôlogno karaha izegny.19Iré fiangonan'i Asia de magnano velôma aminaré. Akila sy Pritsila de magnano velôma aminaré akô amin'ny Tompo, miaraka amin'ny fiangonagna izay akô amin'ny tany petrahanjaré ré. 20Ny rahalahy jiaby magnano velôma anaré. Mifagnanôva velôma amin'ny ôroka masigna.21Izaho, Paoly, manôratra itô amin'ny tanagnanahy. 22Kô misy ôlogno tsy tià ny Tompo, enga anie mbô ho voaozogna izy. Ho tônga, ny Tompontsika! 23Ho aminaré anié ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. 24Ho aminaré jiaby ny fitiavako akô amin'i Jesosy Kristy. [Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talôha de magnampy hoe: "Amena." Fô ny vaovao maro hafa, akô anatin'izegny ny ULB sy ny ny UDB, de mangala izegny.]

2 Corinthians

Chapter 1

1Paoly, apostoly raika an'i Kristy Jesosy tamin'ny sitrapôn'Andriamanitra, sy Timoty rahalahintsika, ho an'ny fiangonan'Andriamanitra zay akô Korinto, ary ho an'iré mpino jiaby magnerana ny faritry Akay. 2Ho aminaré ane ny fahasoavagna ary ny fiadanagna avy amin'Andriamanitra Babantsika sy Tompo Jesosy Kristy.3Ho deraigna ane ny Andriamanitra sy Baban'ny Tompontsika Jesosy Kristy. Izy no Baban'ny famindram-pô jiaby sy Andriamanitry ny fampiononagna jiaby. 4Andriamanitra de mampionogna antsika amiin'ny fahoriàntsika jiaby, ké mbô ahafahantsika mampionogna iré zay akô agnaty fahoriagna. Antsika de mampionogna iré hafa karaha ny fampiononagna zay nampiasain'Andriamanitra ampiononagna antsika.5Fô karaha ny hitomboan'ny fijaliàn'i Kristy nohon'ny aminay, no hitomboan'ny fampiononagna anay koà amin'ny alalan'i Krisy. 6Fô kô nampahoriagna zahay, izégny de ho amin'ny fampiononagna sy famonjegna anaré. Ary kô nampionogna zahay, izégny de ho an'ny fampiononagna anaré. fampiononanaré de mandaitra kôfa manam-paharetagna hisara iré fijaliagna zay mitôvy amin'ny fijalianay koà. 7Fô ny fahatokisanay mômba anarè de mahafantatra fô anaré koà de mizara iré fijaliagna, anaré koà de mizara fampiononagna.8Fô tsy tianay anaré tsy ahafantatra, ry rahalahy, ny amin'iré olagna manjo anay tagny Asia. Izahay de novezarana tanteraka mihoatran'izay tôkony ho zakanay, maro loàtra ké tsy nanantegna ny hiaigna ela intsony zahay. 9Teo aminay tokoàtra ny fagnamelohana ho faty. Fô Izégny no nahatônga anay tsy hametraka ny aké amin'ny tegnanay foagna, fô ndraiky amin'Andriamanitra zay ampitsangana maty. 10Nagnavotra anay tamin'ny lôza mahafaty karaha izégny Izy, ké mbô hagnavotra ndraiky. Zahahy de nametraka ny tokinay taminanjy fô mbola hagnafaka anay ndraiky Izy.11Izy de hagnano izegny satrià anaré koà de magnampy anay amin'ny alalan'ny vavakaré. Ké maro avy aké no hagnamia fisaoragna amin'ny agnarany noho ny tombom-pahasoavagna namiagna anay tamin'ny alalan'iré vavaka ny maro.12Zahay de miréharéha amin'izô: fijoroàgna vavolombelogno ny amin'ny feon'ny fieritreretanay. Fô tamin'ny fikasagna madio sy fahatsoram-pô zay avy amin'Andriamanitra zay nitondranay ny tegnanay akô amin'izô tontôlo izô. Zahay de nahavita izégny jiaby izégny ké ny ankamaroany niaraka taminjaré—tsy tamin'ny fahendren'izô tontôlo izô, fô tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 13Zahay de tsy nanôratra raha tsy ho voàvakinaré na ho azonaré. Zaho de manantegna fô, 14satrià ianaré nahazo ny momba anay amin'ny ampahany, zahay de ho anton'ny réharéhanaré amin'ny andron'ny Tompontsika Jesosy, karaha anaré ho antony hiréharéhanay.15Satrià natoky ny momba izégny zaho, de te ho agny aminaré alôngany, mbô hahafahanaré mahazo tômbony amin'ny fitsidihagna roà. 16Niomagna ny hamangy anaré kôfa takagny amin'ny lalàgnanahy ho agny Makedonia zaho. Ké avy také de mbôla nagniry hamangy anaré ndraiky zaho tamin'ny diàko avy tagny Makedonia, ké ny mbô hagnatèranaré anahy tegny amin'ny lalagnanahy ho agny Jodia avy akè.17Kôfa niheritreritra karaha izégny zaho, nisalasala vô zaho? Nanomagna iré raha irékaraha ny nofo vô zaho, mbô hivolanako ''Ià, ià'' sy ''Tsià, tsià'' amin'ny fotoagna ariky foagna? 18Fô satrià Andriamanitra de mahatôky, atsika de tsy afaka ny hivôlagna ''Ià'' na ''Tsià.''19Fô ny Zanak'Andriamanitra, Jesosy Kristy, zay nitoriàn'i Sylvanosy, Timoty ary zaho taminaré, de tsy ''Ià'' na ''tsià.'' fô Izy de nivôlagna foagna hoe ''Ià.'' 20Satrià ny fampanantenan'Andriamanitra jiaby de ''Ia'' avokoa akô aminy. Ké amin'ny alalany kôa atsika de hivôlagna hoe: ''Amena'' ho an'ny voninahitr'Adriamanitra.21Ary Andriamanitra zay magnamafy anay aminaré akô amin'i Kristy, ké Izy no nagniraka antsika. 22Izy de nignisy tombo-kase tamintsika ké nagnamia ny Fanahy ho akô am-pôntsika ho antok'izay mbola ho amiany antsika akô afarany.23Fô nagnantso an'Andriamanitra zaho, hijoro vavolombelogno ho anahy zay antony tsy nahatôngavako takô Korinto mbô hamindrako fô aminaré. 24Izegny de tsy sagnatria noho izegny miezaka ny mamehy zay tôkony ho finoanaré. Fô ndraika, zahay de miara-miasa aminaré amin'ny fifalianaré, satrià anaré mijôro akô amin'ny finoanaré.

Chapter 2

1Fô nanapa-kevitra ny tsy agnantogna anaré ndraiky ny tegnako amin'ny fotoam-pangirifiriagna. 2Kô niteraka alahelo anaré zaho, zôvy no afaka mampifaly anahy akoatran'ilay araika zay noratraiko foagna?3Nanôratra zaho karaha natôko mbô tsy ho voaratran'iré zay tôkony nampifaly anahy kôfa tônga tagny aminaré. Zaho de managna fahatokisagna ny aminarè jiaby fô ny fifaliako de fifaliagna mitôvy amin'ny anaré jiaby. 4Fô nanôratra ho anaré zaho avy amin'ny fahoriagna lehibe, miaraka amin'ny fangirifirian'ny fô, ké miaraka amin'ny ranomaso be. Tsy te ampalahelo anaré zaho. Fô ndraiky, te hampahafantatra anaré ny alalin'ny fitiavagna zay anagnako ho anaré.5Kôfa nisy ôlogno niteraka alàhelo, tsy niteraka izégny taminahy ndraiky izy, fô amin'ny endrika hafa—tsy hagnitaragna latra izégny—aminaré jiaby. 6Ampy ny fanasaziagna natôn'ny fôntry an'isa io ôlogno io. 7Ké avaizo kôfa tôkony ho fanasaziagna, anarè de tôkony hamèla hekoka sy hampionona ananjy. Atôvy izégny mbô tsy handifotra ananjy amin'ny àlahelo fôntry loàtra.8Noho izegny mankahery anaré zaho mbô hagnamafy ampahibe-maso ny fitiavanaré Ananjy. 9Izegny no antony anoratako, amin'izay mbô mety hitsapako anare ké ahafantarako na manaiky amin'ny raha jiaby anaré.10Kôfa mamela ôlogno anaré, mamela izegny ôlogno izegny kôa zaho. Zay navelako—raha namela ny raha jiaby zaho—izegny famelagna izegny de fitiavagna anaré amin'ny fagnatrehan'i Kristy. 11Izegny de mbô tsy hamitahan'ny Satana zahay. Satria zahay de mahafantatra iré drafiny.12Nisôkatra ho anahy ny varavaragna tamin'ny Tompo kôfa tônga takô amin'ny tanàgna fôntry an'i Troasy nitory ny filazantsara an'i Kristy tagny. 13Na izegny aza, tsy nanagna fiadanan-tsaigna zaho, satrià tsy nahita ny rahalahiko Titosy tagny. Araka izegny, nandao izy iré zaho ké nandéha niverigna tagny Makedonia.14Fô fisaoragna ané ho an'Andriamanitra, zay akô amin'i Kristy mitarika anay mandrakariva akô amin'ny fandresegna. Amin'ny alalantsika de hapariakany na eza na eza ny hagnitra mamin'ny fahalalagna ananjy.. 15Fô zahay de hagnitra mamin'i Kristy an'Andriamanitra, na také amin'iré zay novonjegna sy také amin'iré zay ho foaty.16Ho an'ny ôlogno zay ho foaty, izegny de hagnitra avy amin'ny fahafatesagna ho amin'ny fahafatesagna. Ho an'iré sanany zay novonjegna, de hagnitra avy amin'ny fiainagna akô amin'ny fiainagna. Zôvy no mendrika amin'iré raha iré? 17Fô zahay de tsy mitôvy amin'iré ôlogno fôntry zay mivarotra ny tenin'Andriamanitra mbô ahazoagna tômbony. Fô kôfa, amin'ny fahadiovam-pô, no hiresahanay amin'i Kristy, satrià nalefa avy amin'Andriamanitra zahay, takô amin'ny fahitan'Andriamanitra.
Chapter 3

1Hanômboko hidera-tegna ndraiky vô zahay? Zahay de tsy mila iré taratasy fagnamarignana aminaré na avy aminaré, karaha ny ôlogno sanany, mô tsy izegny? 2Ny tegnanaré no taratasy fanagnamarignanay, zay voasôratra akô am-pôntsika, zay fantatra ké vakian'ny ôlogno jiaby. 3Anaré de maneho fô taratasy fagnambaragna avy amin'i Kristy, zay namiantsika. izegny de tsy voasôratra tamin'ny ranomainty fô tamin'ny Fanahin'ilay Andriamanitra velogno. Izegny de tsy voasôratra také amin'ny takela-bato, fô také amin'ny takelaky ny fôn'ny ôlombelogno.4Ké izegny no toky zay anagnantsika akè agnatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy. 5Atsika de tsy mahefa amin'ny tegnantsika mbô handray na ino na ino zay avy amintsika. Fô kôfa, ny fahefantsika de avy amin'Andriamanitra. 6Andriamanitra no nagnano antsika mbô ho mpanompon'ny fagnekegna vôvô. Izegny de fagnekegna tsy avy amin'ny sôratra fô an'ny Fanahy. Fô ny sôratra mamôno, ké ny Fanahy magnamia aigna.7Ké ny asa zay niteraka fahafatesagna - de vôsôratra také ambonin'ny vato - de tônga tamim-bôninahitra lehibe ké ny vahôkan'Israely de tsy afaka nibanjigna ny tavan'i Mosesy. Izegny de noho ny vôninahitry ny tavany, ny vôninahitra zay nihalevogna. 8Ho vôninahitra lehibe karakôry ny asa zay atôn'ny Fanahy?9Fô Kô nanagna voninahitra ny asan'ny fagnamelohagna, de ho karakôry ny fitomboan'ny voninahitry ny asan'ny fahamarinagna! 10Satrià tokoà, zay namiagna voninahitra indraika mandehà de tsy hanamboninahita intsony amin'izègny fômba izégny, noho ny voninahitra zay mampitombo izégny. 11Fô kô izay nandalo foagna no anagna voninahitra, de tsy hanagna voninahitra mihoàtra noho izégny vô zay maharitra!12Satrià managna toky karaha izegny atsika, de sahy tokoà. 13Atsika de tsy karaha an'i Mosesy, zay nagnarogna ny tavany tamin'ny voaly, mbô tsy hahafahan'ny vahoàkan'Israely mizaha ananjy mivantagna amin'ny fiafaran'ny voninahitra zay nandalo foagna.14Fô ny sainjaré ré de donto. Na de mandrak'ankehitriny izégny voaly izégny de mbôla mijanogna aké amin'ny famakiagna ny fagnekegna talôha. Tsy misôkatra izégny, satrià akô amin'i Kristy foagna izégny no esorigna. 15Nefa na de avaizo aza, na rahoviagna na rahoviagna no vakiana ny lalàn'i Mosesy, de magnarogna ny fonjaré ré ny voaly. 16Nefa kô mitodika amin'ny Tompo ny ôlogno, de esorigna ny voaly.17Ary ny Tompo de Fanahy. Zay misy ny Fanahin'ny Tompo, de misy fahafahagna. 18Ké atsika jiaby, tsy misarom-boaly, de mahita ny voninahitry ny Tompo. Atsika de efa vôvô ho akô amin'ny voninahitra mitovy zay avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra, zay avy amin'ny Tompo, zay tsy zay fô ny Fanahy.
Chapter 4

1Noho izégny, satrià zahay magnano izégny asa fanompoagna izégny, ké vô nahazo famindram-pô, de kivy zahay. 2Fô kosa, tsy nikeny iré fomba mahamegnatra sy miafina. Tsy miaigna amin'ny fitaka zahay, ké mampiasa marigna ny tenin'Andriamanitra. Amin'ny fanehoagna ny marigna, zahay de mandidy ny tagnanay ny amin'ny feon'ny fieritreretan'ny ôlogno mbô ho entigna aké imason'Andriamanitra.3Fô kôfa vôsarogna ny filazantsaranay, izégny de ho vôsarogna amin'iré zay naty irery foagna. 4Amin'ny toe-draha mitranga aminjaré ré, ny andriamanitr'izao tôntolo zao nahajamba iré saina tsy minon-jaré ré. Vokatry izegny, tsy afaka mahita ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy zaré ré, zay endrik'Andriamanitra.5Fô zahay tsy manambara ny tegnanay, fô i Kristy Jesosy karaha ny Tompo, ké ny tegnanay karaha ny mpanomponaré nohon'ny amin'i Jesosy. 6Fô Andriamanitra de lay araika zay nivôlagna hoe: ''Ny fahazavana hamiratra akô amin'ny haizigna.'' Zaré namiratra takô am-pônay, mbô hagnamià ny fahazavan'ny fahalalagna ny voninahitr'Andriamanitra aké amin'ny fanatrehan'i Jesosy Kristy.7Fô zahay managna izégny hariagna izégny akô agnaty tavoara tanimanga, mbô hazava fô ny hery lehiby mihotra lavitra de an'Andriamanitra fô tsy anay. 8Ampahoriagna amin'ny fômba jiaby zahay, fô tsy resy. Very hevitra zahay fô tsy feno famoizam-pô. 9Enjehina zahay fô tsy nilaozagna. Vonoigna zahay fô tsy rava. 10Mitondra aké amin'ny tegnanay ny fahafatesan'i Jesosy hatragny zahay, amin'izay ny fiaignan'i Jesosy foagna kôa de hiseho aké amin'ny tegnanay.11Zahay zay velogna de mitondra hatragny akô amin'ny vatanay ny fahafatesan'i Jesosy, amin'izay ny fiaignan'i Jesosy de hiseho aké amin'ny vatanay olombelogno. 12Noho izegny ny fahafatesagna de miasa akô amintsika, fô ny fiainagna miasa akô aminaré.13Fô zahay managna fanahin'ny finoana mitôvy araka zay voasoratra hoe: 14''Nino zaho, ary de nivôlagna zaho.'' Mino foagna koà zahay, ké de nivôlagna foagna koà zahay. Fantatray fô lay araiky zay nanangagna ny Tompo Jesosy de hanangagna antsika foagna koà miaraka amin'i Jesosy. Fantatray fô hitôndra anay miaraka aminaré akô amin'ny fagnatrehany Izy. 15Ny raha-jiaby de ho anaré, mbô araka ny fahasoavagna voapariaka tamin'ny ôlogno fôntry, no hitomboan'ny fagnomezam-pisaoragna akô amin'ny voninahitra.16Noho izegny de tsy ho kivy zahay. Na de malemy ivelany aza zahay, de havaozigna isan'andro isan'andro ny akô agnatinay. 17Fô amin'izô andro mandalo zô, ny fahoriagna maivagna de magnomagna anay ho amin'ny lanjan'ny voninahitra maharitra mandrakizay zay mihoatra ny fandaniagna jiaby. 18Fô atsika tsy mizaha raha zay hita, fô mety raha tsy hita. Iré raha zay mety hitantsika de tsy maharitra, fô iré raha zay tsy hita de maharitra mandrakizay.
Chapter 5

1Fantantsika fô kôfa rava ny fonenagna aketo an-tany zay ipitrahantsika, de managna tragno avy amin'Andriamanitra atsika. Izégny de tragno tsy natôn'ny tagnan'ôlombelogno, fô tragno mandrakizay, agny an-dagnitra. 2Fô aketo amin'itô tragno-lay itô atsika no misento, magniry mafy ny hitafy ny fipitrahantsika agny an-dagnitra. 3Magniry mafy izégny atsika satrià amin'ny fanaovantsika izégny de tsy ho hita mitandraka atsika.4Fô kôfa mbôla aketo amin'itô tragno-lay itô tokoà atsika, de misento, mavesatr'entagna. Tsy tenhitanjaka atsika. Fô kôfa, te hitafy atsika, mbô ho atelin'ny fiainagna zay mety naty. 5Lay araika zay nagnomagna antsika ho amin'izégny raha izégny indrindra de Andriamanitra, zay nagnamia antsika ny Fanahy ho fagnambaragna zay ho avy.6Noho izegny de mahatokià hatragny. Tôngava saigna fô kôfa akô an-dragno amin'ny vatagna atsika, de lavitra ny Tompo. 7Fô mandihana amin'ny finoagna atsika, fô tsy amin'ny fahitagna. 8Noho izégny de managna fahatokiagna atsika. Aleontsika lavitry ny vatagna fô akô an-tragno miaraka amin'ny Tompo.9Ké de atôtsika tanjogna izégny, na agny an-dragno atsika na lavitra izégny, mbô hahafinaritra Ananjy. 10Fô atsika jiaby de tsy maintsy hiseho aké alôhan'ny seza fitsaràn'i Kristy, mbô mety ahazoan'ny tsirairaiky zay mifanaraka amin'iré raha vita takô amin'ny vatagna, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy.11Noho izégny, ny fahafantaragna ny tahotra ny Tompo, no handresentsika lahatra ny ôlogno. Ny maha atsika antsika de hitan'Andriamanitra mazava. Antenaiko fô mazava amin'ny feon'ny fieritreretanaré foagna koà izégny. 12Tsy miezaka ny handresy lahatra anaré ndraiky zahay mbô hijery anay karaha ny mahitsy fô. Fô ndraiky, magnamia antony ho anaré hirehareha nohon'ny aminay zahay, mbô hanagnanaré valin-teny ho an'ire zay mirehareha ny amin'ny endrika ivelany fô tsy ny amin'izay akô am-pô.13Fô kôfa very saigna zahay, de ho an'Andriamanitra izégny; ary kôfa tônga saigna tsara zahay, de ho anaré izégny. 14Fô ny fitiavan'i Kristy no manery anày, satrià azonay antoka ny hoe: nisy ôlogno araiky naty ho an'ny jiaby, ké noho izégny de naty ny jiaby. 15Naty Izy ho an'ny jiaby, mbô tsy ho velogna ho an'ny tegnanjaré rè intsony iré zay velogna fô ho Ananjy zay naty ké natsangagna nohon'ny fitiavagna ananjy iré.16Noho izégny antony izégny, manomboka zô de tsy mitsara na zôvy na zôvy araky ny fômban'ny ôlombelogno atsika, na de efa nizaha an'i Kristy karaha izégny aza atsika talôha. Fô avaizo atsika de tsy mitsara na zôvy na zôvy karaha izégny koà. 17Noho izégny, raha misy ôlogno akô amin'i Kristy, de ôlom-bôvô izy. Efa lasa irè raha talôha. Indré, fô efa tônga vôvô izy iré.18Iré raha jiaby iré de avy amin'Andriamanitra. Nampihavagniny tamin'ny tegnany tamin'ny alalan'i Kristy atsika, ké nagnamia antsika ny asa fanopoan'ny fihavanagna. 19Izégny hoe, akô amin'i Kristy Andriamanitra no mampihavagna zao tôntolo zao amin'ny tegnany, tsy magnisa ny fahadisoanjaré ré aminjaré ré. Nankinigny taminày ny hafatry ny fampihavanagna.20Koà vôtendry ho mpisolon-tegnan'i Kristy zahay, karaha hoe amin'ny alalanay no hanaovan'Andriamanitra ny fiantsôny. Miangavy anaré zahay, noho i Kristy: ''Mihavàgna amin'Andriamanitra!'' 21Natôny tônga sôrogno ho an'ny fahotantsika Kristy. Izy lay Araiky zay tsy nanôta mihitsy. Natôny izégny mbô ho tônga fahamarignan'Andriamanitra akô aminy atsika.

Chapter 6

1Miara-miasa aminanjy, zahay foagna koà de mamporisika anaré tsy handray ny fahasoavan'Andriamanitra fahatany. 2Fô nivôlagna izy hoe: ''Tamin'ny fotoagna mety de naregny anaré Zaho, ké tamin'ny andron'ny famonjena de nagnampy anaré Zaho. Zahavo, avaizo no fotoagna mety. Zahavo, avaizo no andron'ny famonjegna. 3Tsy mametraka vato fagnafitohignana aké agnoloanjôvy na zôvy zahay, fô zahay tsy magniry ny haharatsy laza ny asa fanompoanay.4Fô kôfa, zahay de magnaporofo ny tegnanay amin'ny asanay jiaby, fô mpanompon'Andriamanitra zahay. Zahay no mpanompony amin'ny fiaretagna be, fahoriagna, fahatiriagna, fahasarôtagna, 5iré vango, fagnagadragna, fikomiagna, amin'ny asa mafy, amin'iré aligna tsy misy torimaso, amin'ny havasilôgna, 6amin'ny fahadiovagna, fahalalagna, faharetagna, fahatsoram-pô, amin'ny Fagnahy Masigna, amin'ny tegna fitiavagna. 7Zahay no mpanompony akô amin'ny tenin'ny fahamarignana, akô amin'ny herin'Andriamanitra. Zahay de managna ny fiarôvan'ny fahamarinagna ho an'ny tagnana havanagna ndraiky havia.8Zahay de miasa amin'ny voninahitra sy amin'ny fahafam-baraka, amin'ny fagnaratsiagna ndraiky fideragna. Zahay de vômpanga ho mpamitaka kanefa zahay de marigna. 9Zahay de miasa karaha iregny tsisy mahafantatra iregny kanefa zahay de mbôla fanta-daza. Miasa karaha ny ho foaty zahay-jeré-mbôla miaigna zahay. Miasa zahay karaha ny saziagna nohon'ny asanay nefa tsy karaha ny vôheloka ho foaty. 10Zahay de miasa karaha ny malahelo, kanefa de mifaly lalandava. Zahay de miasa karaha ny mahantra, kanefa de mampanan-kariagna ôlogno fôntry zahay. Miasa karaha ny tsy managna na ino na ino zahay kanefa karaha ny managna ny raha jiaby.11Zahay de nivôlagna ny marigna jiaby taminaré, ry Korintiana, ké ny fônay de misôkatra malalaka. 12Ny fônaré de tsy nofihezinay, fô anaré no namehy iré fihetseham-pônarè manôkagna. 13Ké ho valiny ara-drariny-mivôlagna aminaré karaha ny amin'ny zaza aho-voay halalaka ny fônaré.14Aza mifamatotra amin'iré tsy mpino. Fô ino no iraisan'ny fahamarinagna ndraiky fandikan-dalàgna? Fô ino no iarahan'ny mazava amin'ny maizigna? 15Ino no mety ho fifanarahagna aké amin'i Kristy sy Beliala? Na ino no tôkony anjara anagnan'ny mpino araiky sy amin'ny tsy mpino araiky? 16Ké ino no fifagnarahagna misy aké amin'ny tempolin'Andriamanitra ndraiky sampy? Fô atsika de tempolin'Andriamanitra velogno, araka ny efa novolagnin'Andriamanitra hoe: ''Hipetraka aké aminjaré ré Zaho ké handeha aké aminjaré ré. Zaho de ho Andriamanitr'izy ré ké Izy iré de ho ôloko.''17Noho izégny, ''Miboaha hiala aké aminjaré ré, ké mitokagna,'' ahozy ny Tompo. ''Aza mikasika raha maloto, ké Zaho handray anaré. 18Zaho de ho Baba ho anaré, ké anaré ho zanako lahy sy ho zanako viavy,'' ahozy ny Tompo Tsitoha.
Chapter 7

1Iré malalako, hatramin'ny nanagnantsika iré teny fikasagna de ôka atsika hagnadio ny tegnantsika amin'ny raha-jiaby zay mahatônga fahalotoagna aké amin'ny vatagna sy fagnahintsika. Oka atsika hikatsaka ny fahamasinagna amin'ny fatahoragna an'Andriamanitra.2Raiso zahay! Fô tsy nagnano ratsy taminjôvy na zôvy. Tsy nandratra na nagnararaotra na zôvy na zôvy zahay. 3Tsy hagnameloko anaré no hivolagnako zao. Fô efa novolagnako fô atô ampônay anaré, fô miara-maty ké miara-velogno atsika. 4Managna fahatokisagna fôntry anaré zaho, kè mipoera nohon'ny aminaré. Feno fampiononagna zaho. Mitômbatômbaka ny hafaliako na de aké aza ny fampahoriagna jiaby.5Kôfa tônga tagny Makedonia zahay, tsy hanam-pitsaharagna ny tegnanay. Noho izégny, ory tamin'ny fômba jiaby zahay nohon'ny fifandiragna tagny ivelany, ndraiky tahotro takô agnaty. 6Fô Andriamanitra, zay mpampahery ny kivy, nampahery anay tamin'ny fahatongavan'i Titosy. 7Tsy tamin'ny alalan'ny fahatongavany koa no hampaherezan'Andriamanitra antsika. Fô tamin'ny fampaherezagna zay noraisin'i Titosy avy aminaré. Mivôlagna antsika izy ny amin'ny haben'ny fitiavanaré, ny alahelonarè, ké ny fiahianaré ahy laligna. Kè hifaly mandrakizay zaho.8Na de nampalahelo anaré aza ny taratasiko, de tsy nampanegnigna anahy izégny. Fô nanegnigna tamin-jégny zaho kôfa nahita fô nampalahelo anaré ny taratasiko. Fô nalahelo nandritra ny fotoagna fohy anaré. 9Avaizo de faly zaho, tsy hoe satrià ory anaré, fô satrià ny alahelonaré no nitôndra anaré ho amin'ny fibebahagna. Anaré de niaigna ny fahoriagna akô amin'Andriamanitra, koa tsisy very ny nijalianaré ho anay. 10Ny fahoriagna akô amin'Andriamanitra de mitondra amin'ny fibebahagna ny mbô hahatanteraka ny famonjegna tsisy fanegnenagna. Na izégny aza, ny alahelon'izô tontôlo zô, de mitondra fahafatesagna.11Zahavo ny vokatrin'ny hamaventin'ny fikirizanaré tamin'ny fahoriagna akô amin'Andriamanitra. Maventy tokoà ny hamaventin'ny fikirizanaré takô aminaré mbô hagnaporofoagna fô tsy manan-tsiny anaré. Maventy tokoà ny hamaventin'ny fahatezeranarè, ny tahotraré, ny alahelonaré, ny zotom-pônaré, ké ny fagnirianaré ahita ny fahamarinagna zay tôkony atô! Amin'ny raha-jiaby de nagnaporofo tamin'ny tegnanaré anaré mbô tsy ho meloko amin'izégny raharaha izégny. 12Na de nanôratra tamin'iré aza zaho, Zaho de tsy nanôratra ho an'iré mpagnano ratsy, na ho an'ny araiky zay miharitra ny ratsy. Nanôratra zaho mbô tôkony hampahafantaragna ny fahazotoanaré také aminay aké agnatrehan'Andriamanitra.13Tamin'ny alalan'izégny no nampaherezagna anay. Mihoatra nohon'ny fampaherezagna zay efa anagnanay, niho-papagna ny fifaliany nohon'ny fifalian'i Titosy, satrià ny fanahy de velombelogno noho ny aminaré jiaby. 14Kôfa takô ké nirehareha taminanjy ny momba anaré zaho, de tsy mbô afa-baraka zaho. Mifagnohitra amin'izégny, iré raha jiaby zay noteneninay taminarè de marigna avokoà, ny fireharehanay momba anaré tamin'i Titosy de vôporofo fô marigna.15Ny fitiavanay anaré de lehibe tokoà, karaha ny nahatsiarovanay ny fagnikianaré jiaby, endrey ny fandraisanaré azy tamin'ny tahotro sy hovitra. 16Faly zaho satrià managna fahatokiagna tanteraka taminaré.

Chapter 8

1Tianay ho fantatraré, ry rahalahy, ny momban'ny fahasoavan'Andriamanitra zay namiagna takô amin'iré fiangonan'i Makedonia. 2Nandritran'ny fitsapagna maventy amin'ny fahoriagna, ny fitobaky ny hafaliagna ndraiky fara-fahantranjaré ré de niteraka haren-dehiben'ny falalan-tanagna.3Satrià mijôro vavolombelogno zaho fô nagnano be arak'izay vitanjaré ré, ké mihoàtra an'izay vitany aza. Ké tamin'ny sitrapônjaré ré manôkagna 4sy niaraka tamin'ny fitalahoagna mafy no nangatahinjaré ré taminay ny fahafahagna mbô hanagna anjara amin'itô asa fanompoagna aké amin'iré mpino itô. 5Tsy niseho arak'izay nantenainay izégny. Fô kôfa, nagnolotra ny tagnany mialôha tamin'Andriamanitra zaré ré ké nagnolo-tegna ho anay zaré ré tamin'ny sitrapôn'Andriamanitra.6Kè namporisika an'i Titosy zahay, zay efa nanômboka an'izégny asa izégny, mbô hagnantanteraka ny fahasoavagna aké aminaré. 7Fô anaré ndraiky de manan-kariagna amin'ny raha jiaby, amin'ny finoagna, amin'ny vôlagna, amin'ny falalagna, amin'ny fahazotoagna jiaby, ké amin'ny fitiavanaré anay. Koà atôvy azo antoka mbô hanan-kariagna amin'izégny asa fahasoavagna anaré. [Ny ULB ndraiky UDB, miaraka amin'iré dika-vôlagna maro hafa, de mivaky karanjô: ''Akô amin'ny fitiavanà anay.'' Ny dika-vôlagna hafa de mivaky karanjô: ''Ké akô amin'ny fitiavanay anaré'']8Tsy mivôlagna izégny karaha ny didy zaho. Fô ndraiky, mivôlagna izégny zaho amin'ny fitsapagna ny fahamarignan'ny fitiavanaré amin'ny fampitahagna izégny amin'ny zôtom-pôn'ny ôlogno hafa. 9Satrià fantanandré ny fahasoavan'ny tompontsika Jesôsy Kristy. Ké na nanan-kariagna aza izy, de lasa maskiny noho ianaré, koà amin'ny alalan'ny fahantranaré no manjary hazahoà naré hariàgna.10Amin'izégny résaka izégny de hagnome toro-hevitry anaré izaho izay hagnampy anaré. Herintôgna lasa izay, de tsy nanomboko nagnano raha fotsiny anaré, fô nagniry ny magnano izégny. 11Niany vitao izégny, karaha ny nisian'ny zôtom-pô sy ny fagniriagna hagnano izégny, de énga anie hagnatantéraka izégny koà ianaré, arak'izay azonaré hatô. 12Satria raha magniry mafy ny hagnano izégny asa izégny ianaré,de raha tsara sy azo ekegna izégny.Tsy maintsy mifôtotro amin'izay hananan'ny ôlogna iray izégny, fô tsy izay tsy anagnany.13Fô izény asa izégny de tsy mbô hagnamévagna ny hafa ké hagnavésatra anaré. Fô koà, tokony hisy rariny. 14Ny haregna naré amin'izô fotoàgna izô de hagnome izay ilain'jaré ré. Ké izégny koà de mbô hagnomezan'ny hariagnan'jaré ré izay ilainaré. Ké mbô agnomezan'izy iré ny rariny 15araka izay éfa voasôratra hoe: ''Ilay arèky izay nanagna fontry de tsy nanagna ambiny, ké ilay arèky izay nanagna ny hely de tsy nanagna ny tsy ampy.16Fô an'Andriamanitra ny fisaoragna, izay namètraka ny tiako am-pôn'i Titosy ny faharoizagna izay anako aminaré. 17Fô izy tsy nagneky foagna ny antsontsika, fô tègna matotra ny amin'izégny ihany koà. Nagnatogna anô tamin'ny sitrapony manôkagna izy.18Naléfanay izy niaraka tamin'ilay rahalahy izay noderaigny také anténtégnan'ny fiangonana jiaby noho ny asany izay mitôry ny filazantsara. 19Tsy izégny ihany, fô izy ihagny kô de notendren'iré fiangognagna mbô handeha hiaraka aminay hitondra izao asan'ny fahalalan-tagnagna izao. Izégny de ho an'ny voninahitr'izy Tompo ary ho an'ny fanirianay hanampy.20Mitandrigny izahay ny amin'ny mety hisiàn'ny ôlogna mitaraigny mômbanay mahakasikan'io asa fahalala-tagnana zay hataonay io. 21Ké mila mitandrigny zahay mbô hagnano ny mendrika, fô tsy aké anatrehan'ny Tômpo araiky foàgna, fô aké alôhan'ny ôlogna koa.22Mandefa rahalahy araiky hafa fôagna koà zahay miaraka aminjaré iré. Matetika zahay no nitsapa ananjy, ké nahita ananjy mafana fô tamin'ny asa maro. Mazoto kokoà izy izao avaizo noho ilay fahatokisagna lehibe zay anagnanay aminaré. 23Kô ny amin'i Titosy, izy no kamaradiko sy mpiara-miasa amiko ho anaré. Izy kô ny amin'ny rahalahinay, de nalefan'iré fiangonagna zaré ré. Voninahitra ho an'i Kristy zaré ré. 24Kô asehoy ananjy iré ny fitiavanaré, koà asehoy amin'ny fiangonagna ny anton'ny fireharehanay momba anaré.

Chapter 9

1Mikasika ny asa fanompoagna ho an'ny mpino, tsy tegna ilaiko ny manôratra ho anaré. 2Haiko ny mômba ny faniriànaré, zay ireharehako amin'ny ôlon'i Makedonia. Nivolagniko anjaré iré fô akaia de efa vonogna nanômboka tamin'ny taogno lasa. Ny zotom-pônaré no hanosika ny ankamaroà-njaré ré hiasa.3Ké nasaiko ny rahalahy mbô tsy ho zava-poagna ny fireharehantsika mômba anaré, ary mbô ho vôgnona anaré, karaha ny efa nivolagniko ho anaré. 4Kô tsy' izény, izikoà misy Makedoniana fôntro miaraka aminahy ké mahita anaré mbôla tsy vonona, de ho ménatra antsika-tsy mivôlagna na ino na ino mômba anaré zaho-noho ny fahatokisagna anaré. 5Ké mieritreritra zaho fô ilaigna ny mamporisika iré rahalahy hankagny aminà ké hagnano fifanarahana mialôha ny amin'ny fanomezagna efa nampanantenainà. Izégny de ahafahagna mivôgnona karaha ny fitahiagna, fô tsy ny raha tsy azo ekégna.6Ny tegna izy de ity: Ny araiky izay mamafy hely de hijinja hely indraiky koa, ary ny araika izay mamafy amin'ny tanjom-pitahiagna de hijinja fitahiagna ndraiky koà. 7Ambilao ny tsiraikaraika hagnome araka izay efa narafitra ny takô am-pony. Aza ambéla magnome fahoriagna na fagneriteregna izy. Fô ny mpagnome am-pifaliagna no tian'Andriamanitra8Ary Andriamanitra de afaka mampitômbo ny fitahiagna ho anô, mbô, amin'ny raha jiaby, de afaka hahazo izégny ilainaré jiaby mandrakariva anaré. Izégny no misy de mbô afahanare magnatômbo ny asa soa anaré. 9Izégny de araka ny vôsoratra hoe: "Nozaraigna irè haregnany ary nagnamia ananjy iregny ho an'ny mahantra. Maharitra mandrakizay ny fahamarignany."10Izy izay mamatsy ambeoka ho an'ny mpambôly izay mamafy sy ny môfo ho an'ny sakafo, de hamatsy sy hampitômbo ny ambeo ka nô ndraiky koà ho amin'ny famafazagna. Hampitômbo ny vokatry ny fahamarignanô izy. 11Hahazo hariàgna amin'ny fômba jiaby anô mbô ahatônganô ho malala-tagnana. Izégny de hitôndra fanehôam-pisôragna an'Andriamanitra amin'ny alalanay.12Ny fagnatanterahagna io asa fagnompôagna io de tsy vitan'ny hoe mahafeno ny raha ilain'ny mpino fôagna ihany. Mitomboa ihany koà izégny amin'ny asa fagnamiazagna fisôragna an'Andriamanitra fôntro. 13Fô noho ny fitsapagna anaré izay vôporôfo amin'io asa io, de hagnamia voninahitra an'Andriamanitra koà anaré amin'ny fankatoavagna ny fibaboagna naré amin'ny filazantsaran'i kristy. De hagnamia voninahitra an'Andriamanitra koà anaré amin'ny fahalalantagnanaré amin'ny fagnomezagna ho an'izy iré ndraiky ôlo jiaby. 14Magniry anô izy iré, ary mivavaka ho anô izy iré. Manô izégny izy irè nôho ny fahalehibiazagna ny fahasoavagna an'Andriamanitra akô aminô. 15Ho an'Andriamanitra anie ny sôtra noho ny fagnomezagna ny tsy hay ikoragnina!

Chapter 10

1Izaho, Pôly, miangavy anaré ny tegnako, amin'ny fanetretégna sy hamoram-pagnahin'i Kristy. Malemy fagnahy za réfa akeo amin'ny fagnatréhanare, néfa sahy ny aminaré za réfa tsy akeo. 2Mangataka aminaré za, réhéfa miaraka aminaré za, tsy mila sahy amin'ny fahatokisan'tégna. Néfa za mieritreritra fo mila masahy manôhitra iré izay mievitra fô antsika de miaigny araka ny nôfo.3Fô na izégny aza de mandeha araka ny nôfo izahay, tsy miady araka ny nofo. 4Fô ny fiadiagna izay iadianay de tsy ara-nôfo. Nôho izégny, managna hery avy agny an-dagnitra iré mbô hamotéhagna ny fagnahy ratsy. Fo tsy mitondra na ino na ino ny hevim-pitaka njaré ré5Ho simbaintsika ndraiky koà irè raha agnambo izay manangagna fanoheragna ny fahalalagna an'Andriamanitra. Fo mievitra ny hagnababo ny tsiraikaraika amin'ny fankatoavagna an'i Kristy antsika. 6Ary miômagna amin'ny sazy ny fihetsika tsy fankatoavagna jiaby antsika, vantagny vô tanteraka ny fankatoavagna naré.7Zahavo mazava izay eo alöhanare. Fo na zôvy na zôvy no resy lahatra fo izy no Kristy, ôka hampatsiahy ny tégnany izy fo izy tokoàtra de Kristy, de kara izégny kôa antsika. 8Ya fo na de miréharéha kely aza za mômban'ny fahifantsika, izay namian'ny Tômpo antsika mbô hananganagna ary tsy hanimba anaré, tsy ho mégnatra za.9Tsy tiàko izégny hampihôrohoro anaré amin'ny alalan'ny taratasiko. 10Fo ny ôlogna sasany nivôlagna hoe: "Matotra sy mahery ny taratasiny, anéfa malemy ara-vatagna izy. Tsy mendrika ho tandrignesigna ny koragnany."11Ôka ny ôlogna karaha n'irégny hafantatra fo irè teny akô amin'ny taratasinaï tamin'ny fotôagna tsy nahatakéo anay de mampiseho ny asa tôkony hatônay réfa tônga akagny zahay. 12Tsy mandéha lavitra zahay na mampitôvy ny tégnanay amin'iré izay midôka-tegna. Fo izikôa mandrefy ny tégnany amin'ny hafa, de ho mailo.13Antsika, na de izégny aza, tsy hiréharéha mihôatra ny tôkony ho izy. Fo kôsa, atônay ihany izégny izay fetrany araka ny nanéndren'Andriamanitra anay, fétra izay mahakasika anaré. 14Fo tsy mitandrigna ny tégnany izahay réfa tônga takégny aminaré. Izahay no tônga vôlongany hatragny aminaré niaraka tamin'ny filazantsaran'i Kristy.15Tsy niréharéha mihôtra ny fétra antsika ny mômban'ny asan'ny sasany. Néfa kôza, antenainay fo mbô hitombo ny finôagnanaré amin'ny asa maventy miandry ny tsiraikaraika, ary samy amin'ny fétrany avy. 16Fo izaô no antenainay, mbô ahafahanay mitôry ny filazantsara na de agny amin'ny toéragna lavitra anaré aza. Tsy hiréharéha mômba ny asa efa vita tagny amin'ny faritra hafa antsika.17"Néfa ôka ny araika izay miréharéha, hiréharéha ao amin'ny Tômpo." 18Fô tsy le araiky izay manôlotra ny tégnany no ankatôavigna. Néfa kôza, aoka le araiky izay namiagna ny Tômpo.

Chapter 11

1Magniry za mbô ahafahanaré maméla anahy hanô fahadalagna hély sasany. Fo tégna maméla anahy tokôa anaré! 2Fô saro-piaro ny mômba anaré za. Managna fahasarotam- piaro araka an'Andriamantra aminaré za, hatramin'ny nagnamiazako toky anaré tô amin'ny fanambadiagna ho an'ny vady araiky ihany. Nagnamia toky za ny hanôlotra anaré karaha ny virijiny madio ho an'i Kristy.3Fo matahotra za saode, karaha ny namitahan'ny ménaragna an'i Eva tamin'ny alalan'ny hafitsiagnany, ny eritreritraré de mety hiàla amin'ny fanolôran-tégna amin-kitsimpô ndraiky madio amin'i Kristy. 4Fo eritrereto hoe misy ôlogna araiky tônga hitôry Jesosy hafa nôho le araiky toriantsika. Na eritrereto hoe mandramby Fagnahy hafa nôho izay raisinarè ianaré. Na eritrereto hoe mandramby filazantsara hafa nôho le araiky izay noraisinaré anaré. Maméla irégny raha irégny tsara ihany anarè!5Satrià meritreritra za fo tsy farany ambany nôho iré lazaigna fo hoé apostôly ambôny. 6Fa na de tsy nizaragna nandaha-koragna aza za, de nizarigna tamin'ny fahalalagna. Tamin'ny fômba jiaby sy tamin'iré raha jiaby de natônay ho fantatraré izagny.7Angaha nanota mô za tamin'ny fanétren-tégnako mbô hisandratanaré? Fo nitory ny filazantsaran'Andriamanitra maimaimpôgna ho anaré za. 8Nandrômba iré fiangonagna hafa za tamin'ny alalan'ny fagnikiagna fanohanagna avy amin'izy iré mbô ahafahako manômpo anarè. 9Réhéfa niaraka taminarè za sy nila fagnampiagna, de tsy nagnavésatra na zôvy na zôvy. Fo iré raha nilaiko de namiàn'irè mpirahalahy izay tônga avy agny Makedonia. Tamin'ny raha jiaby de nitandrigna ny tégnako tsy ho enta-mavesatra aiminaré za, ary hanôhy hagnano izégny.10Izikôa akato Aminahy ny fahamarignan' i Kristy, de tsy hangina izégny firéharéhako izaigny agny amin'ny faritr'i Akaia. 11Nagnino? Satrià tsy tiàko maï anarè? Andriamanitra mahay.12Ary ny raha atôko de mbôla ho atôko ihany, mbô mety afahako magnala ny fitaraignana nôhon'ny fanakianagna anahy sy ny fitaraignana nôho iré izay tian'izy iré hiréharehagna- fo izy iré de hita manô asa mitôvy amin'izay atônay. 13Fo ny ôlogna karaha izégny de apôstôly sandoka sy mpiasa mamitaka. Izy iré de magnano sarintsarin'ny tégnany. Karaha ny apostôlin'i Kristy.14Ary izégny de tsy mahagaga, fo na ny satana asa mampiseho ny tégnany karahà ny anjelin'ny fahazavagna. 15Tsy mahagaga intsony izikôa mampiseho ny tégnan'izy iré karaha ny mpanômpon'ny fahamarignana iré mpanômpony. Ny anjaran'izy iré de izay méndrika ny asan'izy iré.16Koragniko indraiky hoé: "Aza ambéla hisy hieritreritra hoe adala za. Fo raha magnano izaigny anaré, de raiso karaha ny adala za ké mbô hiréharéha hély. 17Izay koragniko mômba ity fahatokigna miréharéha ity de tsy araka ny koragnin'ny Tômpo, fo mivôlagna karaha ny adala za. 18Fo éfa fôntro ny ôlogna no miréharéha araka ny nôfo, de hiréharéha ndraiky kôa za.19Nagnaiky am-pifaliagna iré adala anaré. De hoé hendry ny tègnanaré! 20Fô mandefitra amin'ny ôlogno ianaré raha magnandevo anaré, mandray ny tegnany ho ambôny nôho anarè, na izikôa mamango tefantsofigna anaré izy. 21Ho koragniko amin'ny fahafaham-barakanay fô malemy loàtra izahay tamin'ny fanôvagna izégny. Izikôa misy miréharéha de mikoragna karaha fôka za - Izaho ihany kôa de hiréharéha.22Hebreo mô izy iré? Izaho ndraika kôa. Israelita mô izy iré? Izaho ihany koà. Taranak'i Abrahama mô izy iré? Izaho ndraika kôa. 23Mpanômpon'i Kristy mô izy iré? ( Mikoragna karaha ôlogno very saigna za. ) Mihôatra nôho izégny za. Mbôla niasa mafy nihôatra nôho izégny aza za, tagny am-ponja mahéky, tamin'ny vango mihôatra ny fépetra, tamin'ny fiatréhagna lôza fôntro mahafaty.24Avy amin'ny alalan'irè Jiosy no nandraisako "vango efapôlo latsaka araiky" Indimy. 25 Intelo za no novangogna tamin'ny kakazo. Indraika za no notoraham-bato. Intelo za no vaky sambo. Nàndany araiky haligna sy raiky andro tegny an-dranomasigna za. 26Nandeha mahéky za, tamin'ny lôzan'ny ôloko manôkagna, tamin'ny lozan'iré Jentilisa, tamin'ny loza tagny amin'ny tanàgna, tamin'ny loza tagny an'efitra, tamin'ny loza tagny an-dranomasigna, tamin'ny loza avy amin'iré ralàhy sandoka.27Efa tamin'ny asa mafy sy raha-tsarotro zaho, tamin'ny aligny tsisy torimaso, tamin'ny havasilogna sy hetaheta, tamin'ny fifadin-kanigna matetika, tamin'ny hatsiaka sy fitanjahagna. 28Akôtry ny raha hafa, misy tsindry isan'andro aminahy nohon'ny fagnahiko amin'ny fiangonagna jiaby. 29Zôvy no malemy, ké tsy malemy zaho? Zôvy no manafintohina, ké tsy mirehitra zaho?30Raha tsy maintsy mirehareha zaho, de hirehareha momba zay maneho iré fahalimeko. 31Lay Andriamanitra sy Baban'ny Tompo Jesosy, lay zay deraigna mandrakizay, de mahafantatra fô tsy mandainga zaho!32Tagny Damaskosy, ny governora ambanin'i Areta mpanjaka de niambigna ny tanàgnan'i Damaskosy mbô hisambotro anahy. 33Fô nampidinigna tamin'ny sobika také amin'ny manda zaho, ké de nandositra ny tanany.

Chapter 12

1Zaho de tsy maintsy mirehareha, fô tsisy na ino na ino azo avy amin'izégny. Fô zaho de hanohy ny amin'iré fahitagna sy iré fagnambaragna avy amin'ny Tompo. 2Mahafantatra lalahy akô amin'i Kristy zaho zay efatra ambin'ny fôlo taogna lasa zay—na akô amin'ny tegna na ivelan'ny tegna, zaho tsy mahafantatra, Andriamanitra mahafantatra—nalaigna niakatra tagny amin'ny lagnitra faha telo.3Ké fantatro fô io lalahy io—na akô amin'ny tegna, na ivelan'ny tegna, zaho tsy mahafantatra, Andriamanitra mahafantatra— 4de nalaigna niakatra takô amin'ny paradisa ké naregny raha zay tegna masina lôatra amin'ny ôlogno ny hivôlagna ananjy. 5Amin'ny agnaran'ny ôlogno karaha izégny de hirehareha zaho. Fô amin'ny agnaran'ny tegnako de tsy hirehareha zaho, afa-tsy ny momba iré fahalimeko.6Kôfa te hirehareha zaho, de tsy ho adala zaho, fô te hivôlagna ny marigny. Fô hifehy tegna amin'ny fireharehagna zaho, mbô tsy hisy na zôvy na zôvy hihevitra anahy ho ambôny noho zay hita aminahy na ré avy aminahy. 7Hifehy tegna amin'ny fireharehagna ndraiky koà noho iré karazagna fagnambaragna miavaka iré. Noho izégny, mbô tsy ho feno fireharehagna zaho, de natô tsilo ny nofoko, ny mpitôndra hafatr'i Satana hagnakorontagna anahy, mbô tsy hirehareha loatra zaho.8Intelo zaho no nitalaho tamin'ny Tompo ny momba izégny, mbô hagnaisoragna izégny aminahy. 9Fô ahozy taminahy hoe: ''Ampy ho anà ny fahasoavako, fô ny hery de natô ho lafatra akô amin'ny fahalimeko.'' Aleoko mirehareha bebe kokoà ny amin'n fahalimeko, mbô hipitrahan'ny herin'i Kristy atô aminahy. 10Noho izégny finaritra noho i Kristy akô amin'ny fahalimeko, amin'ny fagnevativagna, amin'ny korontagna, amin'ny fagninjehagna ké akô amin'ny fotoan-tsarotro zaho. Fô na oviagna na oviagna malemy zaho, de matanjaka.11Zaho de lasa adala! Anarè no nanery anahy amin'izégny, fô zaho de tôkony noderainaré. Fô zaho de tsy ambany noho iré zay antsoigna hoe apostoly ambôny iré mihintsy, na de tsinontsinogna aza zaho. 12Iré famantaragna marigna ny maha Apostoly de notantirahigna také aminaré tamin'ny fahateragna tanteraka, famantaragna sy fahagagagna ary asa mahery, 13Fô akôry anaré no tsy de manan-danja noho iré fiangonagna sanany, ankoatry ny tsy mahavesatra anahy ho anaré? Mamilà anahy noho izégny fahadisoagna izégny!14Io! Vonogna ho tônga fagnintelony agny aminaré zaho. Tsy ho vesatra ho anaré zaho, fô zaho de tsy mila zay anaré. Anaré no ilaiko. Fô tsy ny zanaka no tôkony hihary ho an'iré ray aman-dreny. Fô kosa, iré ray aman-dreny no tôkony hihira ho an'iré zanaka. 15Zaho de ho faly tanteraka handany sy ho lanigna ho an'ny fagnahinaré. Kôfa mitia be anaré zaho, de hotiavigna hely vô zaho?16Fô na de karaha izégny aza, tsy nagnavesatra anaré zaho. Fô, satrià zaho fetsifetsy be, de zaho lay araika nahazo anaré tamin'ny fitaka. 17Mô vô nagnararaotra anaré tamin'ny alalan'ny ôlogno zay nalefako taminarè zaho? 18Nagniraka faingagna an'i Titosy ho agny aminaré zaho, ké nalefako niaraka taminy iré rahalahy sanany. Mô vô tsy miray lalagna atsika? Mô vô tsy niray dia atsika?19Mô vô mieritreritra anaré fô nandritra izégny fotoagna jiaby izégny de niaro ny tegnanay taminaré zahay? Aké agnatrehan'Andriamanitra, no ivolagnanay takô amin'i Kristy ny raha jiaby mbô ho fampahirezagna anaré.20Fô matahotra zaho fandrao kôfa tônga zao de mety tsy hahita anaré araky ny fanantinako. Matahotra zaho fandrao tsy ho hitanaré araky ny fanantinanaré. Matahotra zaho fô sô de mety hisy fifandiragna, fialognana, firehetan'ny fahatizeragna, fikasagna amin'ny fitiavan-tegna, fifosagna, fieboeboagna, ary fikorontagnana. 21Matahotra zaho fandrao kôfa miverigna, de hanetry anahy aké agnatrehanaré ny Andriamanitro. Matahotro zaho fandrao mety halahelo ny amin'iré maro zay nanota také alôha, ké mbôla tsy nibebaka tamin'ny fahalotoagna ndraiky fijangajangagna ké ny fijejojejoagna feno fagnirian-dratsy zay natônjaré ré.

Chapter 13

1Fagnintelony zao no nandalovako atô aminaré. ''Ny fiampangagna jiaby de tsy maintsy miorigna amin'ny porofo amin'ny vavôlombelogno roy na telo.'' 2Efa nivôlagna tamin'iré zay nanota akô talôha sy tamin'iré amibiny jiaby kôfa také fagnindroiny, ké vôlagniko ndraiky izégny: ''Kô tônga ndraiky zaho, de tsy hiantra ananjy iré zaho.''3Mivôlagna anaré izégny zaho satrià anaré de mitady porofo fô i Kristy de mivôlagna amin'ny alalako. Tsy marefo aminaré Izy. Fô ndraiky, mahery akô aminaré Izy. 4Fô Izy nohombohagna amin'ny fahalimegna, nefa velogno tamin'ny herin'Andriamanitra. Fô atsika ndraiky de marefo akô aminy, kanefa atsika de miara-miaigna amin'ny herin'Andriamanitra aké agnivonaré.5Dinihy ny tegnanaré kôfa tianarè ho hita fô akô amin'ny finoagna anaré. Tsapao ny tegnanaré. Tsy mbôla azonaré an-tsaigny vô izégny momba ny amin'ny tegnanaré fô i Jesosy Kristy de akô aminaré? Kôfa tô anaré ké tsy nahomby tamin'ny fitsapagna. 6Ké zaho mahatoky fô anaré de rahalahiky fô atsika de nahomby amin'izégny fitsapagna izégny.7Avaizo atsika de mivavaka amin'Andriamanitra fô tsy afaka ny anà raha ratsy anaré. Zaho de tsy mivavaka ny afaka ahitana fô atsika de nahomby amin'ny fitsapagna. Fô ndraiky, zaho de nivavaka ny mbô ahafahanaré magnano zay mety kanefa atsika de mety ho hita ho karaha ny tsy nahomby tamin'ny fitsapagna. 8Fô atsika de tsy afaka ny hagnano raha manohitra amin'ny fahamarignana, fô ho an'ny fahamarignana irery foagna.9Fô atsika de mifaly kôfa marefo ké mafy anaré. Fô atsika foagna koà de mivavaka mbô ho atôtsika feno anaré. 10Manoratra itô raha itô zaho kôfa magnalavitra anaré zaho, ké kôfa miaraka aminaré zaho de tsy vôtery mitôndra anaré an-katizeragna amin'ny fampiasagna ny fahifako namian'ny Tompo anahy, mbô ananganako anaré, ké tsy hanimba anaré.11Farany, ry rahalahy, mifalia! miasà ho amin'ny famerenagna amin'ny laoniny, mahereza, mifanikià ny tsiraikaraiky, miainà am-piadagnana, kè ny Andriamanitry ny fitiavagna ndraiky fiadanagna de hiaraka aminaré. 12Mifagnontsafâ anaré amin'ny fagnorohona Masina.13Iré mpino jiaby de magnano velôma anaré. [Fagnamarihagna: Iré dika-vôlagna sanany de manambatra ny andininy faha 13 amin'ny andininy faha 12 ké magnano ny andininy faha 14 ho andininy faha 13. ] 14Enga ané ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy, ny fitiavan'Andriamanitra, ndraiky fiarahagna amin'ny Fanahy ho akô aminaré jiaby.

Galatians

Chapter 1

1Paoly, apôstôly_tsy apôstôly avy tamin'ôlogno na nampianarin'ôlo, fa avy tamin'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, zègny nanangana Ananjy tamin'ny maty_ 2ndraiky ralahy jiaby miaraka aminah, hoanjaré fiangonagna Galatiana.3Fahasoavagna ho aminaré ndraiky fiadanagna avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesisy Kristy Tompo, 4zègny nanôlotro ny tègnany ho an'ny fahotantsika mbô hagnafakantsika amin-jao andron'ny fa haratsiagna zao, araka ny sitrapon'Andriamanintsika sy Raintsika, 5ho Ananjy raiky ny voninahitra mandrakizay dorià. Amen.6Variagna zaho naregny fô narianan-dré zègny èfa nagnatsôvagna anan-dré dia ny fahasoavan'i Kristy zègny. variagna koa zah fô nagnaraka filazantsara hafa an-dré. 7Zègny tsy midika fô misy filazantsara hafa ankoatra zègny, fa misy ôlo maro mitôndra fikorontaganna aminan-dre tia hagnôva ny filazantsaran'i Kristy.8Fa na zahay na anjely avy agny an-dagnitra aza mitory filazantsara hafa aminan-dre na zègny nitorinay taminan-dre, dia aoka izy ho voaôzogno. 9Araka zègny nivolagninay talôha, dia naiany zah mizaka ndraiky fô: "Kô misy ôlogno magnambara aminan-dre filazantsara hafa hankoatrany zègny regninare, dia aoka izy ho voaôzogno." 10Mitady dèra amin'ôlogno mô za sa Andriamannitra? sa mitady zègny hampifaly ôlogno? Kô mbôla mitady dèra amin'ôlo zah dia tsy andevon'i Kristy.11Fa tiako fantanare, ry ralahiko, fa ny filazantsaran'ôlombelogno. 12Tsy avy tamin'ôlo nahaizako an-jègny, sady tsy ôlo nampianatra zah. Fa fagnambaran'i Jesosy Kristy.13Fa anare naregny mômban'ny fiaignako talôha tamin'ny fômba fivavahagna Jiosy, ndraiky fômba nagninjèhako ny fiangonan'Andriamanitra tônga diso tafahoatra ndraiky èzaka nandravako an-jègny. 14Nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy za mihoatra ny maro tamin-jaré mitovy tôgna taminahy, avy tamin-jaré iraika firenena tamiko. Kara ny zègny ny fômba nitazomako mafy iregny fômban-drazako.15Kanèfa Andriamanitra, nanôkana anah laitry tankibon-dreniko, kè nagnantso anah tamin'ny alalan'ny fahasoavany, 16kôfa faly nampiseho ny zanany lahy taminahy, mbô hahafahako magnambara Ananjy agny amin'ny Jentilisa, dia tsy naka saigny tamin'ny nôfotro aman-drà zègny zah. 17Tsy nandèha tagny Jerosalema tamin'ny Apôstôly talôko ré zah. Fa, nandèha tagny Arabia avitake nierigna tagny Damaskosy zah.18Kè telo taogno tafara dia nandèha tagny Jerosalema mbô hifankafantatra tamin'i Kefasy zah kè nijanogno niaraka taminanjy nandritran'ny dimy ambin'ny fôlo andro. 19Fô tsy nisy hitako iré Apôstôly ankoatra an'i Jakoba, lay rahalahin'ny Tompo. 20Kè amizègny soratako ho anaré, dia magnomia toky anare zah agnatrèhan'Andriamanitra, fô tsy mandainga zah.21Avitake zah dia nandèha tagny amin'ny faritr'i Syria sy Kilikia. 22Tsy mbôla fantatra take tamin'ny fiangonan'i Jodia zègny amin'i Kristy zah. 23Regninjare fôgna koragna fa: "lay lalahy nagnejika antsika talôha igny dia magnambara lay finoagna zègny ninjehiny sy nipotehiny talôha." 24Avy tamin-jègny zaré dia nidèra an'Andriamanitra noho ny avy taminah.

Chapter 2

1Efatra ambin'ny fôlo taögna taty aoriana de niakatra tagny Jerosalema andraiky Aho niraidia tamin'ny Barnabasy, de nitôndra an'i Titosy niraidia tamiko.2 Niakatra tagny nohon' ny fagnambarana araiky Aho kè nametaka take amin-jare ny filanzantsara izay toriako akeo amin-jare Jentilisa. Nikoragna mitôkana tamin-jare jègny noheverina ho manan-danja zaho, mbô hahazoäna antoka fô tsy nihazakazaka_na efa nihazakazaka_very maigna zaho.3Fô na Titosy aza, izay niraidia tamiko no sady Grika, de nöfôrisèny ho voafôra.4 Nitsôfötrö mangingina zare rahalahy sandoka mbô hitsikèra ny fahafahana hanagnanay akô amin' i Kristy Jesosy. Nagniry ny agnadevo anay zare.5 fô tsy nety ny hanaiky an-jare na de fotôagna hely aza zahe, 16 mbô hipetrahan'ny fahamarinan'ny filanzantsara aminan-dre.6Fô ire jègny noheverina ho manan-danja ( na ino na ino zare de tsy mampagnino ahy, Andriamanitra de tsy miangatra)_Koragninà, zare, jègny ho heverina ho manan-danja de tsy nanampy na ino na ino taminà. 7Mifanipaka amin-jègny, hitan-zare fô nanankinana ny filanzantsara ho an-jare jègny tsy voafôra zaho. karaha ny nanankinana an'i Petera ny filanzantsara ho an-jare jègny voafôra.8 Fô Andriamanitra, jègny niasa takô amin'ny Petera ho amin'ny mah' apostoly ho an-jare izay foafôra, de niasa tato aminà fô kôza ho an-jare Jentilisa.9I Jakoba, Kefasy, ndraiky Jaona, jegny fantatra fô anisan-jare nagnorina ny fiangonana, kôfa nahalala ny fahasoavana jègny namiagn' ahy, de nagnamia ny tanàna ankavanan'ny fiombonana ho anà andraiky Barabasy zare. nataon-jare zègny mbô hahafahanay mankany amin'ny Jentilisa, kè mbô hahafahan-jare mankany amin'jare jègny voafôra. 10Nagnäsa fotsiny zare mbô hahatsiaro ny mahantra zahe, jègny raha tena tiako atao tökôtra.11Fô kôfa tônga tagny Antiokia i Kefasy, de nanohitra azy take samby amaso zaho satria voalaza fô tsy marina izy.12 Talohan' ny nahatongavan'ire lalahy asanany avy any amin' i Jakoba, de take am-pihinanagna niraidia tamin-jare Jentilisa i Kefasy, Fô kôfa tônga zare lalahy ire. de nijanogna zare niala làvitra an-jare Jentilisa, navôzo ire-jègny nitaky famorana izy .13Ny sisa tamin-jare Jiosy koa de niraidia tamin' jègny fiatsaram-belatsihy jègny. na i Barnabasy aza de voavily lalana niraidia tamin-jare tamin'ny fiatsaram-belatsihi-njare. 14 Fô kôfa hitako fô tsy magnaradia ny fahamarinan' ny filanzantsara ny fitondran-tegna-njare, de nikoragna tamin' i Kefasy take anoloan' izy jiaby zaho fô:" Raha Jiosy anà kanèfa miaigna karaha Jentilisa fa tsy karaha ny jiosy, ahoana no ahafahanô manery an-jare Jentilisa hiaigna karaha ny Jiosy?"15Atsika de Jiosy tamin' ny alalan' ny fahaterahana fô tsy mpanota Jentilisa;16 fantantsika anefa fô tsy misy ôlo hamarinin 'ny asan'ny lalàna fô amin'ny alalan'ny finoagna an' I Kristy Jesosy, Atsika fô koa de. tônga tamin' ny finoana an'i Kristy mbô ho hamarinina amin' ny finoagna an'i Kristy fô tsy amin'ny asan' ny lalàna. Fô tsy hisy nofo ho hamarinina amin'ny asan'ny lalàna.17Kôfa, mitady ho hamarinina ao amin' i Kristy atsika, atsika fô koa, de hitany fô mpanota, moa mampirisika ny fahotana ary ve I Kristy Tsia avy hatrany!18 Fa raha manàngana andraiky ireo raha efa noravako talôha zaho. de magnaporofo ny vatako ho mpandika lalàgna zaho.19 Fô tamin'ny lalàgna no nahafatesako amin'ny lalàgna, mbô ho velogno ho an'Andriamanitra zaho.20Nonombohana niraidia tamin' i Kristy zaho. Tsy zaho intsony no velogno ato agnatiko. Ny fiaignana iaignako ao amin'ny nofo ankehitriny de iainako amin'ny finoagna ny Zanak'Andriamanitra, jègny tia ahy kè nanôlotra ny tegnany ho ahy. 21Tsy magnilika ny fahasoavan'Andiamanitra zaho, fô raha azo amin' ny lalàgna ny fahamarinana, de tsy misy dikany ny nahafatesan' i Kristy!
Chapter 3

1Ry Galatiana Mahôla! Iza no namosavy anan-dre? Teo amasonan-dre no nanehoana an'i Jesosy kristy vaombo. 2Izô ihany ny raha tiako ianaragna aminan-dre: Nandray ny Fagnahy tamin'ny asan'ny lalàna sa tamin'ny finoagna regninare anan-dre? 3Mahôla marigna ve anan-dre? Niantomboka tamin'ny Fagnahy anan-dre, de hiafara amin'ny nofo ve amin'izo?4Mô niharitra raha maro tamin'ny tsisy dikany ve anan-dre fa raha tegna zava-poagna tokoa ary izegny? 5Mô ve izy izay magnome ny Fagnahy anan-dre sy magnano asa mahagaga ake aminan-dre dia magnano izany amin'ny finoagna?6Kara i Abrahama ''nino an'Adriamanitra ary nisaigna ho famarinagny izegny,'' 7 dia kara izany, fantako, fa ire izay amin'ny finoagna dia zanak'i Abrahama. 8Ny Sôratra Masigna, nahita taloha fa Andriamanitra hagnamarigna ire jentilisa amin'ny finoagna, dia nitory ny filazantsara talohany tamin'i Abrahama, nivolagna hoe: ''Avy amino no hitaiagna ny firenegna jiaby.'' 9Ka, ire izay amin'ny finogna dia voatahy miaraka amin'i Abrahama, lay olognan'ny finoagna.10Ire izay miankina amin'ny asan'ny lalàgna dia eo ambanin'ny ozogna; fa vôsoratra hoe: ''Izay tsy magneky raha vôsoratra jiaby dia voahozogna ao agnatiny boky ny lalàgna, sy magnano iregny.'' 11Amin-jo fotoagna dia mazava fa tsisy ologna izay hamarinigna eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny lalàgna, satria ny marigna dia ho velogna amin'ny finoagna. 12Fa ny lalàgna dia tsy araka ny finoagna, fa koza, ''Ny ologna ize magano ny asanagn'ny lalàgna dia velogna aminan-dre.13Kristy nagnavotra antsika tamin'ny ozognan'ny lalàgna tamin'ny nahatongavany ho ozogna ho an-tsika fa vôsôratra hoe: ''Vôhozogna ize mihantogna amin'ny kakazo''_ 14mbô hotonga amin'ny Jentilisa sy fitahian'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, mba ho amin'ny finoagna no ahazahoantsika lay fampagnantenagna ny Fagnahy.15Ry rahalahy, ambilè zaho hivolagna araka ny fatôn'ny ologna. Ako amin'ny fifagnarahagna atôn'ny ologna, tsisy afaka magnafoagna na magnampy ize ako, raha tafapetraky ny lalàgna izany. 16Ary ire fampagnantenagna dia nivolagnina tamin'i Abrahama sy taminire taranagny. Tsy mivolagna izegny hoe: ''Ho an'ny taranaka,'' manondro ny ologna maro, fa koza ologna raika ihany,'' hoan'ny taranaka,'' dia i Kristy.17Ary izô no tiako hivolagnina: '' Ny lalàgna ize tônga telo-polo sy efa-jato taogna taty afara, dia tsy hahafoagna ny fanekegna ize efa napetrak'Andriamanitra taloha. 18Fa raha avy amin'ny lalàgna ny lova, dia tsy avy amin'ny fampagnantenagna intsony. Fa Andriamanitra nagnome ize an'i Abrahama tamin'ny alalan'ny fampagnantenagna.19Ino, ary ny tanjognan'ny lalàgna? Nasaigna izany noho ire fandikan-dalàgna, mandra-pahatongan'ny taranak'i Abrahama eo amin'izegny ananovagna ny fampagnantenagna. Ny lalàgna naton'ny mpitari-dalàgna raika ho manan-kery tamin'ny alalan'ny anjely. 20Fa ny mpitari-dalàgna dia midika ologna mihoatra raika, kanefa Andriamanitra dia raika.21Moa ve ny lalàgna manohitra ire fampagnantenagnan'Andriamanitra? Satria izany! Fa raha nisy lalàgna nomegna ize afaka magnome fiaigna, dia avy tamin'ny lalàgna tôkoa ny fahamarinagna. 22Fa ny Sôratra Masigna no nampigadra ny raha jiaby ambanin'ny fahotagna. Nagnano izegny Andriamanitra mbô hagnomezagna ho anire mino ny fampagnantenagna ny hagnavotagna antsika amin'ny alalan'ny finognan'i Kristy.23Ary talôhan'ny nahatongavan'ny fianoagna, antsika dia nitanagna ho babo tô ambanin'ny lalàgna, nogadraigna mandra-pivoahan'ny finogna. 24Koa avy ny lalàgna dia lasa mpiambigna antsika mandra-pahatôngavan'i Kristy, mbô ho voamarigna amin'ny finoagna antsika. 25Fa izô dia tonga izegny finoagna izegny, ka tsy ambanin'ny mpiambigna intsony antsika. 26Fa anan-dre jiaby dia zanak'Andriamanitra ako amin'ny finoagna an'i Kristy Jesosy.27Fa maro aminan-dre izay natô batisa tao amin'i Kristy, no nandray an'i Kristy. 28Ary tsisy intsony na Joisy na Grika, na andevo na ologn'afaka, na lahy na vavy, fa raika ihany anan-dre ako amin'ny Kristy. 29Koa raha an'i Kristy anan-dre, dia taranak'i Abrahama,sy mpandôva araka ny fampagnantenagna anan-dre.
Chapter 4

1Mivôlagna zah fô ny mpandôva, kôa mbôla zaza izy, dia tsy hafa amin'ny andevo, na dia tômpon-draha jiaby aza. 2Kanaifa izy dia aké ambany fifèhaizan'jaré mpiambigna sy iré mpitahiry raha-sarobidy mandra-pigadognan'ny daty zègny napètraka ny babany.3Kè karan-jègny koa, tamin-tsika mbôla zaza, dia nandivôzin'iré lalàgna fitsipi-pianaragn'izô tontôlo izô. 4Fô koa tonga ny fahafinoagnan'ny fotôagna, dia nandèfa ny Zanany Andriamanitra, zègny natèra-biaby, natairaka tô ambanin'ny lalàgna. 5Nagnano anjégny Izy mbô hagnavôtagna iré zègny ambanin'ny lalàgna, mbô hahafahantsika mandray ny fananganagna ho zanaka.6Ary satria zanaka anaré, dia nasain'Andriamanitra ho akô am-pôntsika ny Fagnahin'ny Zanany, zègny magnantso hoe: "Aba, Ray." 7Nôho zègny tsy andevo koà anô, fô zanaka, ary koa zanaka, dia mpandôva amin'ny alalan'Adriamanitra foagna koa anô.8Fô tamin'jègny fotôagna zègny, fôny anaré tsy nahay an'Andriamanitra, dia natô andevon'iré zègny, amin'ny hery vôajagnahary, dia tsy Andriamanitra velivaly. 9Fô ankehitriny anaré dia lasa nahay an'Andriamanitra, na koa hoe hain'Anadriamanitra anaré, kè ahôana no hiraignanaré amin'ny abidim-pianaragna malemy no sady tsisy dikany? Té ho andevozigny koa mô anaré?10Mandinika iré andro sy iré vôlagna ary iré vanim-potoagna sy iré tôgno anaré! 11Matahôtro ny aminare zaho fô sô dia ho zava-poagna ny asako take aminare.12Miangavy anaré zah, ry ralahy, magnanova kara zaho, satria zaho foagna koa dia èfa lasa karaha anare. Tsy agnano ratsy taminahy anare. 13Kanèfa hainare fô noho ny aretim-batako no nagnambarko anare ny filazantsara tamin'ny vôalohany. 14Na dia nitôndra anare tamin'ny fakam-pagnahy aza ny toe-batako, dia tsy nagnano tsisidikany na nagnilikilika zaho anare. Fô niraisinare kara anjelin'Andriamanitra kôza zaho, kara hoe zaho mitsy no Kristy Jesosy.15Akaiza, noho zègny, ny fahasoavanare avaizo? Fô mijoro vavolombelogna aminare zah fô, koa azonare atô, dia nalanare ny masonare ary namianare zaho zègny. 16Kè noho zègny, èfa lasa fahavalonare mô zaho satria mivolagna aminare ny marigny17Zaré dia mazoto ny hotôndra anare, fô tsy amin'ny tsara. Te hagnidy anare agny ivèlany zare, mbô hanagnanare zotom-pô ho anjare. 18Tsara foagna ny managna zotom-pô amin'ny tanjogna tsara, ary tsy kôfa miaraka aminare foagna zaho.19Ry zanako, mbôla mijaly amin'ny fanaitaignan'ny fiterahagna ho anare ndraika zaho mandra-piforongnan'i Kristy ako aminare. 20Magniry zaho mbô ho afaka miaraka aminare aminjô ary hagnova ny fehoko, satria sahiran-tsaigny noho ny aminare zaho.21Volagnino aminahy, anare zègny magniry ny ho ake ambanin'ny lalàgna, mô tsy mitandregny ny lalàgna maro anare? 22Satria vôasoratra fô i Abrahama dia nanan-janaka roé lahy, ny araiky avy amin'ny andevo viavy ary ny araiky avy amin'ny vahiavy afaka. 23Fô ny araiky dia natèraky ny andevo viavy araka ny nôfo, fô lay araiky hafa dia natairaky ny vahiavy tamin'ny koragna fampagnantènagna.24Ire raha ire dia azo raisigny ho kara ny fanoharagna, satria ire vahiavy ire dia magnambara fagnekegna roé. Ny araiky amin'jare dia avy amin'ny tanetin'i Sinay ary nitèraka zaza zègny andevo izy. Izy io dia i Hagara. 25Ary i Hagara dia namoaka ny tanetin'i Sinay any Arabia; ary namoaka an'i Jerosalema amin'jô fôtoagna zô, satria nandivozigna niaraka tamin'ire zanany izy.26Fô i Jerosalema zègny agny ambôny dia afaka, ary izy no regnintsika. 27Satria vôasoratra hoe: "Mifalia, anô ry momba zègny tsy miteraka. Magnantsognantso mafy ary magnanova hiaka fifaliagna, anô zègny tsy mijaly amin'ny fanaintaignan'ny fitirahagna. Satria ire zanaky ny vahiavy zègny nafôe dia maro noho ny an'ire vahiavy manambady."28Fô anare, ry ralahy, karaha an'i Isaka, dia zanaky ny fampanantènagna. 29Tamin'jègny fotoagna zègny ny ôlogno zègny tèraka araka ny nôfo dia nagnenjika zègny tèraka araka ny Fagnahy. Karanjegny koa amjô.30Kanaifa ino no volagnin'ny soratra masigny? "Alifaso agny ny andevo viavy sy ny zanany lalahy. Fô ny zanaka lahin'ny andevo viavy dia tsy hirasa lôva miaraka amin'ny zanaka lahin'ny vahiavy afaka." 31Noho zègny, ry ralahy, tsy zanaky ny andevo viavy atsika, fô zanaky ny vahiavy avôtro.

Chapter 5

1Ho amin' ny fahafahagna no nagnafahan' i Kristy atsika. Miantèra tsara, karaha zegny, aza magneky ho ambanin' ny ziogan'ny fagnadivôzagna ndraiky.2 Indro ,Paoly,mivôlagna amindre fô raha mamèla ny tegnanareo ho foraina anandre. de tsy hahasoa andre amin'ny fomba jiaby Kristy.3Mijôro vavolombelogno amin'ny ôlo tsirekireky ize mamèla ny tegnany voafora ndraiky zah fô vôatery hagnaraka ny lalàna jiaby izy.4 Tafatsaraka tamin' i Kristy andre, zegny te ho hamarinigna amin'ny lalàna; ke tsy miaigna fahasoavana koza andre.5Fô amin'ny alalan' ny Fanahy, amin'ny finoagna, no iambesantsika fatratra ny fanantenana ny fahamarinagna.6 Akô amin'n i Kristy Jesosy de tsy midika na ino na ino na voafora na tsy voafora, fô ny finoagna miasa amin'ny fitiavana fô. 7Fô nihazakazaka tsara andre. Azovy no nanakagna andre amin'ny fankàtoavagna ny marina?8 zegny fandresen-dahatra zegny de tsy avy amin'ilay nagnatso andre.9Lalivay hely no mampitômbo ny kôba jiaby.10 Fô mahafatoky ny Tompo aho fô tsy handray fomba fijaha hafa andre. Fô ny araika zegny mampikorontana andre no hagnèfa ny sazy, na zôvy izy na zôvy izy.11Ry rahalahy, raha mbola magnambara ny amin'ny famoràgna aho, magnino zaho no mbola enjehina? Amin-zegny de ho afaka tokoatra ny fahatafitohinagna' ny kakazofijaliana.12 Fô zegny magnakorontagna andre , nè ke hanapaka ny tegnan-jare!13Fô nangizany ho amin'ny fahafahana andre, ry rahalahy, nefa aza ampiasaina ho irika amin'ny filan'ny nofo ny fahafahanare ; fô kôza amin'ny alalan'ny fitiavana de mifampanopöha. 14Fô ny lalàna jiaby de lavorary ao amin'ny didy araiky. ako amin' ny hoe: Tsy maintsy mitia ny namanao karaha ny tegnanà anà. 15Fô raha mifagnifatra andreky mifampihinagna andre, de mitandrema sô mifamono.Fô ahozy zaho, mandihana araky ny Fanahy16 de tsy hahatanteraka zegny filan'ny nofo andre. 17Fô manipaka ny Fanahy ny filan'ny nofo, ke manipaka ny filan'ny nofo ny fanirian'ny Fanahy. Fo mifanipaka ire, mbo tsy hahafahanare magnano zegny raha tianare. Fô18 raha tarin'ny Fanahy andre de tsy ho ambanin'ny lalàngna.19Avaizo de mibaribary ny asan'ny filan'ny nofo: fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20fanompoan-tsampy, fmosaviana, fankahalana, fifandirana, fahasarotam-piaro, fipôkan'ny fahavigniragna, fifandrafiagna, fisaraham-bazagna, fizarazaragna, 21fialonagna, fahamamoagna, fan akorontagnana, ndraiky raha mitôvy amin-zegny. Mampitandrigna andre zaho, karaha ny efa nampitandremako andre taloha, fô tsy handôva ny fanjakan' Andriamanitra ire zegny magntanteraka ire raha ire.22Fô vokatra ny Fanahy de fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharetana,23 hatsaram-panahy,fanaovantsoa, finoagna, fahalemem-pagnahy, ndraiky fahafehezan-tegna; tsy misy lalagna manohitra raha karaha zegny. 24 Ire zegny an'i Kristy Jesosy de efa namantsika ny toetra feno fahotany niraidia tamin'ny fahafinaretany ndraiky ny filany.25Raha miaigna amin'ny Fanahy isika, aoka handeha amin'ny Fanahy fô koza.26 Aoka isika tsy ho lasa mpi-poerapoera, mifandrangitra, ke mifampialogno
Chapter 6

1Ry rahalahy kô, raha misy ôlogna azon'ota anareo zay ara-pagnahy no tôkony hangerigna azy indraika amin'ny famoram-pagnahy.Mihevera tègnano,mbô ts ho halaim-pagnahy kao ano. 2Mifampitondra ny mavèsatr,ary amin-jay dia tanteraho ny lalàgnan'i Kristy.3 Fa kô misy ôlogna mihevitegna ho raha kanefa tsinotsinona,dia mamit-a-tegna. 4Tôkony samby mandinitègna ny tsiraikaraika, mbô amin'ny tègnany fôgna ny antony mampireharhananjy fô tsy amin'ny ôlogn-kafa . 5Fa samby hitondra entagnany ny tsiraikaraika.6Ny ôlogna zègny nampianarigna ny teny dia tsy maintsy mirasa ny zègny raha tsara jiaby amin-jegny mampianatra. 7Aza magneky fiatahigna. Tsy azo sangisangina Andriamanitra, fô zègny raha jiaby afafin'olo dia izy fôgna no hisagotra anan-jy. Hoan-jegny mambôly voa amin'ny toetra feno fahotagna, dia avy amin-jègny hisangorany fahasimbagna. 8Zègny voa amin'ny Fagnahy,amin'ny Fagnahy no hisangotra ny fiaignana mandrakizay.9Aoka antsika mbô tsy ho reraka amin'ny fagnanovagna ny tsara, fô hisangotra ny vokatra antsika amin'ny fotoagna mety, raha tsy milavo lefogna anttsika. 10kè nohizègny, satria managna ny fahafahagna antsika, dia aoka hagnano tsara amin'ny ologna jiaby, indridra amin'ny fiamnakaviagnan'ny finoagna.11Zahava ny haventesany sôratra izay nisôratan'ny tagnakoho anare. 12Ire zay te hiseho hotsara amin'ny nofo fôgna no miezaka manery anan-dre mbô hoforaigna. Magnano an-jègny zare mbô hialagna amin'ny fagnenjehagna nohon'ny azo fijalian'i Kristy. 13Na zare zègny tsy voafora aza dia tsy mitandrigna ny lalàgna, nefa tian-jare foragna anare mbô hireharehan-jare amin'ny nofon-jare.14Nefa tsy hirehareha na oviagna na ovoagna afa-tsy ny amin'ny hazofijalin'i Jesosy Kristy Tompontsyka za, zay namantsiagna an'izô tontolo izô taminàhy,kè zaho ndraiky teo amin'izô tontolo izô. 15Fa ny famoragna na tsy famoragna dia samgy tsisy dikany. Fô ny fiaignam-baovao no misy dikany. 16Hoan'ire jiaby zay miaigna arak zany fomba izègny, dia ho amin-jaire anie ny fiadanagna sy ny famindram-po, na Israelin'Andriamanitra aza17 Miantetry izô dia tsihisy hagna-foka anahy, fô mitôndra ire marik,i Jesosy eo amin'ny vatagna anahy zaho. 18Hoamin'ny fagnahinan-dre anie ny fahasoan'i Jesosy Kristy Tompontsika,ry rahalahy. Amena.

Ephesians

Chapter 1

1Paoly, apostolin'i Jesosy Krisity araka ny sitrapôn'Andriamanitra, ho amin'iré ôlo-masin'Andriamanitra agny Efesosy, izay mahatoky akô amin'i Kristy Jesosy. 2[Fagnamarihagna: Misy fandikagna sanany manala ny hoe: ''Ao Efesosy'' saingy mety akô amin'ny taratasin'i Paoly tamin'ny vôalôhagny izegny. ] Ho aminaré ny fahasoavagna ndraiky fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.3Deraina ané ny Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nitahy antsika takô amin'i Kristy tamin'ny fitahiam-pagnahy jiaby avy akagny andagnitra akô amin'i Kristy. 4Andriamanitra nifidy antsika takô aminanjy letrin'ny fiantombôhan'izao tontôlo izao, mbô ho masigna sy tsy manan-tsigny aké agnatrehany antsika.5Andriamanitra de nisafidy antsika mialôha ho amin'ny fananganagna ho zanaka tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka ny sitrapôny. 6Ny fananganagna antsika de mitôndra amin'ny fideragna ny fahasoavagny be vogninahitra izay namiany antsika maimaimpoagna takô amin'ilay iraiky izay tiagny.7Akô amin'i Jesosy Kristy de mahazo fanavôtagna amin'ny ràny sy ny famelan-keloka antsika, araka ny harem-pahasoavagny. 8Narôtsagny tamintsika tamin'ny fahindrégna sy fahalalagna jiaby izégny fahasoavagna izégny.9Natôn'Andriamanitra fantatra tamintsika ny raha miafin'ny sitrapôny, araka izay tiàny, sy izay nasehony takô amin'i Kristy, 10niaraka tamin'ny fandaharagna araiky amin'ny fahafenoan'ny fotoagna, hanangognagna ny raha jiaby, atô an-tany sy agny an-dagnitry, ho lôha araiky, na Kristy aza.11Akô amin'i Kristy de voatendry ho pandôva antsika. Nofidiagna mialôha araka ny fandaharan'ilay mampiasa ny raha jiaby araka ny tanjon'ny sitrapôny antsika. 12Andriamanitra nanendry antsika ho mpandôva mbô ho antsika no manana fahatokiagna voalôhagny akô amin'i Kristy, mbô ho fideragna ny voninahiny antsika.13Takô amin'i Kristy, anaré kôa, kôfa naharegny ny tenin'ny fahamarinagna, de ny filazantsaran'ny famonjegna anaré, de nino Ananjy anaré ké votomboka tamin'ilay Fagnahy Masigna nampanantinaigna, 14izay antoka ho an'ny lôvantsika mandra-mpahazoantsika tanteraka izegny, ho fideragna ny voninahiny.15Noho izegny atony izegny, letrin'ny naharenesako ny finoanaré ny Tompo Jesosy ary ny fitiavanaré iré ôlo-masigny jiaby, 16de tsy nitsahatra ny nisaotra an'Andriamanitra zaho noho ny aminaré ké tsaroàko am-bavaka anaré.17Mivavaka zaho mbô ny Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, ilay Rain'ny vogninahitra, hanamia anaré ny fagnahin'ny fahindregna sy fanambaragna amin'ny fahalalagna Ananjy. 18Mivavaka zaho mbô hanazavagna ny mason'ny fônaré, mbô hahafantaranaré ny toky izay niantsogny anaré sy ny herin'ny voninahitry ny lôvany aké amin'iré ôlo-masin'Andriamanitra jiaby.19Akô amin'ny fivavako de mangataka zaho mbô hahafantaranaré ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny akô amintsika izay mino, araka ny fiasan'ny heriny lehibe. 20Izegny hery izegny foagna no nampiasain'Andriamanitra takô amin'i Kristy kôfa natsangany tamin'ny maty Izy ké nambelany také an-tanagny ankavanagna tagny an-dagnitry. 21Kristy de nambelany ho ambônin'ny lalàgna sy ny fahefagna mbôn'ny hery ndraiky fitsarana, ary ny anaragna jiaby izegny misy. Hanapaka Kristy, tsy ho aminjao vanim-potoagna zao foagna, fô ho amin'ny vanim-potoagna ho avy koà.22Nambélan'Andriamanitra ho akô ambanin'ny tongotr'i Kristy avokoa ny raha jiaby ké natolony ho lôhan'ny raha jiaby akô amin'ny fiangonagna Izy. 23Ny fiangonagna no tenagny, ilay fahafenoin'Ilay mameno ny raha jiaby amin'ny endriny jiaby.

Chapter 2

1Ké ny mômba anaré, de maty takô anatin'ny fadisoanaré sy ny fahotanaré anaré. 2Takô amin'iregny fahadisoagna iregny no niainanaré talôha karaha ny fômban'izao tontôlo izao. Niaigny karaha ny mpanapaka iré fahifagna egny amin'ny rivotro anaré, ilay fagnahy izay miasa akô aminaré zanaky ny tsy fankatovagna. 3Niaigny také amin'iregny ôlogno iregny koà antsika talôha, nanatantéraka iré filan-dratsin'ny nôfontsika, ké nanatatéraka ny fagnirian'ny nôfo sy ny saigna. Efa voahary ho zanaky ny fahatezeragna, karaha ny zanak'ôlombelogno sisa antsika.4Saingy manan-karegna famindram-po Andriamanitra noho ilay fitiavagny lehibe izay nitiavany antsika. 5Tamintsika mbôla maty takô anatin'ny fahadisoagna, de novelominy niaraka tamin'i Kristy_tamin'ny fahasoavagna no namonjegna anaré. 6Niara-natsangan'Andriamanitra antsika, ké niara-napetragny takô an-dagnitra akô amin'i Kristy Jesosy, 7mbô afahagny mampiseho antsika amin'ny vanim-potoagna ho avy ny havintesan'ny hariagnan'ny fahasovany izay tsy azo refesigna amboakany amin'ny hatsaram-pagnahiny amintsika akô amin'i Kristy Jesosy.8Fô tamin'ny fahasoavagna no namonjegna anaré tamin'ny alalan'ny finoagna, ké tsy avy aminaré izégny, fô fagnomezan'Andriamanitra. 9Tsy avy amin'ny asa ny fahasoavagna mbô tsy hisy hirehareha. 10Fô asan'Andriamanitra antsika, noforonina takô amin'i Kristy Jesosy mbô hagnano asa izay fandaharan'Andriamanitra efa éla ho antsika, mbô handehanantsika akô aminjaré.11Noho izegny tadidio fô Jentilisa takô amin'ny nôfo anaré talôha. Anaré de antsovina hoe ''voafôra'' akô amin'ny nôfo nataon'ny tanan'ôlombelogno. 12Satrià mbôla tafasaraka tamin'i Kristy anaré tamin'izegny fotogna izegny. Mpivahiny anaré také amin'ny vahôkan'ny Israely. Ké vahiny tamin'ny fampagnantenana ianareo. Tsy mbola nanana fanantegnana ny amin'ny ho avy ianareo. Ké tsy niaraka tamin'Andriamanitra ianareo také amin'izô tontolo izô.13Fô avaizo akô amin'i Kristy Jesosy anaré zay lavitra an'Andriamanitra talôha de napanakékézina tamin'ny ràn'i Kristy. 14Satrià Izy no fihavanantsika. Izy no nahatônga ny aroa ho raika. Tamin'ny nôfony no nandrodanagny ny rindrin'ny fanoheragna zay nampizarazara antsika. 15Zégny hoe, nofoanagny ny lalàn'ny didy sy ny fitsipika mbô hagnanôvagny ôlom-bôvô raika akô Aminanjy, sy mbô hagnanôvagna fampiavanagna. 16Kristy de nampiavagna ny fôkon'ôlo aroa tonta ho vatagna raika amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny kakazofijaliagna, ké namôno ny fagnoheragna.17Fô tônga Jesosy ké nitory fihavanagna ho anaré zay lavitry ary fihavanagna ho an'iré zay marigny. 18Fô amin'ny alalan'i Jesosy no hanagnantsika roa tonta fifandraisagna amin'ny Fagnahy raika makagny amin'ny Ray.19Noho izégny, tsy vahiny sy mpivahiny itsony anarè Jentilisa amin-jô. Fô vô maika aza mpiray firenegna miaraka amin'iré zay ôlo-masin'Andriamanitra. 20Efa namboarigna také amin'ny fôtotro fagnorenan'iré apostoly sy iré mpaminany anaré, ké Kristy Jesosy mihintsy no vato fehizoro. 21Akô Aminanjy no hitambaran'ny fagnorenagna jiaby ké hitomboàny karaha ny tempoly akô amin'ny Tompo. 22Akô Aminanjy foagna no hananganagna anaré miaraka ho fitoheragna ho an'Andriamanitra akô amin'ny Fagnahy.

Chapter 3

1Noho izégny, zaho Paoly, de gadran'i Kristy Jesosy ho anaré Jentilisa. 2Ataoko fô naharegny ny fitantanagna ny fahasoavan'Andriamanitra zay namiagna anahy ho anaré anaré.3Manôratra karaha ny fagnambarana nampahafantarigna anahy zaho. Izégny no marigna mivony mômba izay nosoratako fohifohika taminaré. 4Kôfa mamaky zégny anré, de ho afaka ny hahazo ny fômba fahazoàko izégny marigna mivony mômban'i Kristy izégny. 5Tamin'irè taranaka hafa de tsy natao fantatry ny zanak'ôlombelogno izégny marigna izegny. Fô avaizo ndraiky izégny de nambara tamin'ny alalan'ny fagnahy tamin'iré Apostoly sy iré mpaminany zay voatôkana ho amin'itô asa itô.6Izégny marigna mivony izégny de mivôlagna fô irè Jentilisa de mpiara-mandôva, sy mpiara miombogna amin'ny vatagna, ary mizara ny fampanantignàna akô amin'i Kristy Jesosy amin'ny alalan'ny filazantsara zaré ré. 7Fô lasa mpanompon'izégny filazantsara izegny zaho tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra namiagna anahy tamin'ny alalan'ny fiasan'ny heriny.8Namiàn'Andriamanitra anahy izégny fanomezagna izégny, na de zaho aza no farany hely indrindra amin'iré ôlo-masin'Andriamanitra. Izegny anomezagna izégny de ny mbô hitoriako amin'iré Jentilisa ny filazantsaran'ny herin'i Kristy sarotro katsahina. 9Ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ho anahy de ny hitôndra fagnazavana amin'ny ôlo-jiaby ny fandaharan'Andriamanitra, io fandaharana io de navonin'Andriamanitra, lay nahavoaray ny raha jiaby, nandry ny taogno maro talôha.10Nampahafantarigna tamin'ny fiangonana izégny fandaharagna izegny mbô hahatônga iré mpanapaka sy iré magnam-pahifagna agny an-dagnitry hahafantatra ny toeragna maron'ny fahendren'Andriamanitra. 11Niseho karaha ny fandaharagna mandrakizay zay tantérany takô amin'i Kristy Jesosy Tompontsika izegny.12Fô akô amin'i Kristy no ananantsika fahasahiàgna sy lalana am-pahatokiagna nohon'ny finoantsika Ananjy. 13Noho izégny miangavy anré zaho mbô tsy ho kivy nohon'ny fijaliako ho anaré zay voninahitraré.14Noho izégny de mandohalika aké agnatrehan'ny Ray zaho, 15zay nagnamià anaragna ny fianakaviagna jiaby agny an-danitry sy aké an-tany. 16Mivavaka zaho mbô hagnamiazagny anaré, karaha ny hariagnan'ny voninahitrany, mbô hatanjaka amin-kery amin'ny alalan'ny fanahy Masina, zay akô aminaré.17Mivavaka zaho mbô hitoetra akô am-pônaré amin'ny finoagna Kristy, mbô hifôtotro sy hiorigna akô amin'ny fitiavagny anaré. 18Hahazo hery ane anaré kè ho afa-mahatakatra, miaraka amin'iré mpino jiaby, ny sakany, ny handavany, ny hambôsany, ary ny halalignany, 19ké mbô hafantatra ny fitiavan'i Kristy, zay miàtra ny fahalalagna jiaby, ké mbô ho fenon'ny fahafinoàn'Andriamanitra jiaby anaré.20Ké ho Ananjy zay mahavita magnano mihoàtra zay jiaby angatahintsika na eritreretintsika, araka ny hery zay miasa, akô agnatintsika, 21ho Ananjy ny voninahitra akô amin'ny fiangonagna ary akô amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka jiaby mandrakizay dorià. Amena.

Chapter 4

1Noho izégny, amin'ny maha gadra ho an'ny Tompo anahy, de mamporisika anaré mbô handeha am-pamendrehagna amin'ny antso zay nagnantsôvagna anaré. 2Mamporisika anaré zaho mbô hanagna fanitren-tegna lehibe sy fahatsoragna ary faharetagna, mifandefitra amin'ny fitiavagna. 3Magnanôva zay faran'ny herinaré mbô hitahirizagna ny firaisan'ny fanahy amin'ny fatôran'ny fihavanagna.4Araika foagna ny vatagna ké araika foagna ny Fagnahy, karaha ny niantsoagna anaré takô amin'ny fanatinagnan'ny fiantsoagna anaré araika foagna koà. 5Ké araika foagna ny Tompo, raika ny finoagna, ary ny batisa, 6ké arika foagna Andriamanitra sy ny Rain'ny jiaby, zay ambônin'ny raha jiaby ké amin'ny alalan'ny raha jiaby sy akô amin'ny raha jiaby.7Atsika tsiraikaraika avy de namigna fahasoavagna karaha ny habiazan'ny fagnonezan'i Kristy. 8Karaha ny tenin'ny Sôratra Masigna izégny hoe: ''Kôfa nakatra tagny amin'ny avo Izy, de nitôndra iré babo ho amin'ny fahababoagna, ké nanôlotra fagnomezagna ho an'ny fôkon'ôlogno Izy.''9Ino ny hevitry ny hoe: ''Nakatra Izy,'' kô tsy hoe nidigna tagny amin'ny faritra ambanin'ny tany foagna koà Izy? 10Izy lay nidigna foagna lay ôlogno nakatra anambo tagny an-dagnitra, mbô afahany mameno ny raha jiaby.11Kristy de nanolotra ny sanany ho apostôly, ny sanany ho mpaminany, ny sanany ho evanjelista, ary ny sanany ho pastera sy mpampianatra. 12Namiagna iré asa iré Izy mbô hagnampiagna iré vahoàkany masina ho amin'ny asa fanompoagna, amin'ny fagnorenagna ny vatan'i Kristy. 13Manohy magnorigna ny vatany Izy mandra-pahatrarantsika jiaby ny firaisam-pinoagna sy ny fahalalagna ny Zanak'Andriamanitra, ké mbô hahatônga antsika ho matotro ké mbô hahatratra ny haben'ny fahafinoan'i Kristy.14Magnorigna antsika Kristy mbô tsy ho karaha ny zaza zay atopatopan'ny onja intsony atsika, ké tsy ho indôsiny rivotry ny fampianaragna sy ny hafitsiàn'iré ôlogno amin'ny tetika feno fitaka. 15Fô atsika kosa, amin'ny filazagna ny fahamarignana amin'ny fitiavagna, de tôkony hitômbo amin'ny fomba jiaby akô amin'Izy zay lôha, izégny hoe, Kristy. 16Kristy de manangagna ny tegna jiaby, ké nakambana sy atambatra tamin'ny isan'tonony izégny, ary kôfa miasa miaraka iré, de mahatônga ny vatagna hitômbo mbô hampiorigna ny tegnany amin'ny fitiavagna.17Noho izégny, de mivôlagna sy magnindry mafy izegny akô amin'ny Tompo zaho, mbô tsy hiaigna karaha ny Jentilisa intsony anaré, amin'ny fahafoagnan'ny fisaignanjaré ré. 18Maizigna ny fahalalanjaré ré, tafasaraka amin'ny fiaignan'Andriamanitra nohon'ny tsy fahalalagna akô aminjaré ré, nohon'ny fahamafisam-pônjaré ré. 19Tsy mahalala megnatra zaré ré ké nanolotra ny tegnanjaré ré ho amin'ny filan'ny nofo, kè manoy magnano zao karazam-pahalotoagna jiaby zao.20Fô tsy izegny no fômba niananaré ny mômban'i Kristy. 21Inoàka fô naregny ny mômba Ananjy anaré, ary nampianarigny takô aminanjy, satrià ny fahamarignana de akô amin'i Jesosy. 22Nampianarigny anaré mbô hagnary ny fômba fiaignanaré talôha, mbô hagnary ny toetra talôha. Lay toetra talôha zay simba nohon'ny fitaky ny filany.23Nampianarigny anaré mbô hihavô akô amin'ny fagnahin'ny sainarè, 24ké itafy lay ôlom-bôovô zay noharigna karaha ny endrik'Andriamanitra _ akô amin'ny tégna fahamarignana sy fahamasignana.25Noho izegny, ialà ny lainga, ké ôko ny tsiaraikiaraiky aminaré hifampilaza ny marigna amin'ny namany, sarià samy isan'ny rantsan'ny jiaby atsika. 26Mivignira fô aza manoto. Aza avela ho tratrin'ny masoandro mody ny havigniranarè. 27Aza magnamià hirika ho an'ny devoly.28Zay nangalatra de tsy tôkony hangalatra intsony. Tsy maintsy miasa izy, magnano asa tsara amin'ny tagnany, mbô hanagnany raha ho zaraigna ho an'iré akô agnatin'ny tsy fahampiagna. 29Aza avéla hisy teny maloto hivoàka avy amin'ny vavanaré. Mampiasà teny zay ilaigna amin'ny fagnorenagna ny hafa, karaha zay ilain-jaré ré, mbô tégna hagnampy iré zay mitandregny anadré ny teninaré. 30Ké aza mampalahelo ny fanahy masin'Andriamantra, fô avy aminanjy no nagnanôvagna tombo-kase anaré ho amin'ny andron'ny fagnavôtagna.31Ialaha ny lôlom-pô jiaby, haromotagna, ny havigniragna, ny fifaliàgna, ké ny fifampitenenan-dratsy, miaraka amin'iré karazan'asa ratsy jiaby. 32Managna fahalemem-panahy amin'ny tsiaraikiaraiky avy, fahatsôram-pô, mifaméla heloko, karany nagnamélan'Andriamanitra anandré takô amin'i Kristy.
Chapter 5

1Nôho izégny ôko mbô ho mpangala tahaka an'Andriamanitra, karaha ny zanaka malala. 2Ké mandihana amin'ny fitiavagna, karaha ny nitiavan'i Kristy atsika foagna koà sy nagnomezagny ny tegnany ho atsika, fanatitra manim-pofona sy sorogna ho an'Andriamanitra.3Fô tsy tôkony hisy na de koragna fijangajangagna na karazagna fahalotoagna na tsy fahonognan-tegna aza aké aminaré, fô tsy mendrika ny ôlo-masin'Andriamanitra iré. 4Oka tsy hisy mamoafady, koragna adaladala, ary vazivazy tafahoàtra _ fô tsy mendrika ny jiaby amin'iré. Fô ndraiky tôkony hisy fankasitrahagna.5Fô afaka mahazo antoka ny aminjô anarè, fô tsy hisy mpijangajanga, maloto, na ny mpierigna _ izegny hoe, mpanompo sampy _ managna lova akô amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra. 6Oka tsy hisy hamitaka anaré amin'ny teny foana, satrià noho iré raha iré de tônga amin'ny zanaky ny tsy fankatoavagna ny hatezeran'Andriamanitra. 7Noho izegny, aza mikambagna aminanjy iré.8Fô maizigna anaré fahiny, fô zao anaré de fahazavagna akô amin'ny Tompo. Mandihana karaha ny zanaky ny mazava, 9(fô ny vokatry ny fahazavagna de akô amin'ny fahatsaragna jiaby, fahitsiagna, sy fahamarignana). 10Ké tadiava zay mahafinaritra ny Tompo. 11Aza mikambagna amin'iré asa tsy mamokatry ny haizigna, fô ampiharihario kosa iré. 12Fô mahamegnatra na de ny manognona iré raha atônjaré ré agny amin'ny miafigna aza.13Fô kôfa hazavain'ny fahazavagna ny raha araika, de lasa mibaribary. 14Fô ny raha jiaby zay mibaribary de fahazavagna. Noho izégny de voalaza hoe: ''Mifohaza, anà mandry, ké mitsangàna amin'ny toeran'ny naty, de hamiratra aminà Kristy.''15Mitandrema amin'ny fômba fianagna _ tsy karaha ny tsy hendry fô karaha ny hendry. 16Ararôty ny fotoagna satrià zao andro zao de ratsy. 17Noho izégny, aza midaladala, fô takary hoe ino no sitrapôn'ny Tompo.18Ké aza magnano mamon'ny divay, fô mitondra agny amin'ny fahasimban-toetra izegny. Fô ndraiky, ôka ho fenon'ny Fagnahy Masigna, 19mifampizakà aminaré samy anaré amin'ny salamo sy fihiragna ary hiram-panahy, mihirà ké mikaloa amin'ny Tompo amin'ny fonaré jiaby. 20Misaora mandrakariva amin'ny raha jiaby, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika ho an'Andriamanitra ilay Ray, 21mifanolora tégna amim-pagnajagna ho an'i Kristy.22Ry viavy, magneke ny vadinaré, karaha ny amin'ny Tompo. 23Fô ny lalahy no lôhan'ny viavy karaha an'i Kristy kôa lôhan'ny fiangonagna, ké Kristy tegnany no mpamonjy. 24Fô karaha ny hagniken'ny fiangonagna an'i Kristy, de karaha izegny kôa no tôkony hagneken'ny viavy ny vadiny amin'ny raha jiaby.25Ry lalahy, tiava ny vadinaré, karaha ny tiavan'i Kristy ny fiangonagna sy nagnomezany ananjy ny agnany. 26Nanolotra ny tegnany ho an'ny fiangonagna Kristy mbô afahany magnamasigna ananjy, tamin'ny fahadiovagna ananjy tamin'ny rano fanasagna amin'ny teny, 27mbô afahany mampiseho ananjy ho be voninahitra aké aminanjy, tsy misy pentigna na kentrogna na raha karanjegny, fô masina sady tsisy diso.28Karanjegny foagna kôa ny lalahy de tôkony ho tià ny vadin-jaré ré avy karaha ny tegnan-jaré ré. Izy zay tià ny vadiny de tià ny tegnany foagna kôa. 29Tsy mbôla nisy nankahala ny tegnany, fô mamahagna sy mikarakara izégny tsara, karaha an'i Kristy mamahagna ny fiangonagna sy mikararaka ananjy foagna kôa, 30satrià atsika de ratsam-batany.31Noho izegny antony izegny ny lalahy de handao ny babany ndraiky mamany ké hikambagna amin'ny vadiny, ké izy aroy de ho tônga nofo raika foagna.'' 32Lehibe izegny fahamarignana mivony izegny _ fô zaho de mikoragna momban'i Kristy sy ny fiangonagna. 33Kanefa, ny tsiraikaraika aminaré foagna kôa de tôkony ho tià ny vadiny avy karaha ny tegnany, ké ny viavy de tôkony hagnaja ny vadiny.

Chapter 6

1Ry zanaka, magnike ny ray aman-dreninaré akô amin'ny Tompo, satrià manjary izegny. 2''Hajao ny rainà ndraiky mamanà'' (izegny no didy voalôhany misy fampanantignana), 3''mbô hahita soa anà ké mbô ho lava andro anà aketo ambônin'ny tany.''4Anaré ray, aza mitôndra ny zanakaré ho amin'ny fahatizeragna. Fô ndraiky, tezao amin'ny fitsipika sy iré fampianaran'ny Tompo zaré ré.5Ry mpanompo, mankatoava ny tomponaré atô an-tany amin'ny haja ambôny sy fangovitagna, amin'ny fahatsoran'ny fônaré. 6Mankatoava ananjy iré karaha ny hankatoavanaré an'i Kristy. Mankatoava tsy aké imason'ny tomponaré foagna mbô hankasitrahan-jaré ré. Fô ndraika, mankatoava karaha ny mapanompon'i Kristy, zay magnano ny sitrak'Andriamanitra amin'ny fônaré jiaby. 7Manompoa amin'ny fônaré jiaby, karaha ny hoe manompo ny Tompo anaré fô tsy ôlogna, 8satrià haintsika fô na ino na ino asa tsara atôn'ny ôlogna tsiraikaraika, de handray valim-pitia avy amin'ny Tompo izy, na andevo izy na ôlon'afaka.9Anaré Tompo, magnanôva karaha iré raha iré foagna kôa amin'ny mpanomponaré. Aza mampiôrohôro ananjy iré. Fantatraré fô Izy zay sady Tomponaré no Tomponjaré ré de agny an-dagnitra ary tsisy fiangarana akô Aminanjy.10Farany, mahereza akô amin'ny Tompo sy amin'ny tanjakin'ny heriny. 11Itafiao ny fiadian'Andriamanitra jiaby, mbô afahanaré mijoro manohitra iré tetiky ny devoly.12Fô ny adintsika de tsy manohitra ny nofo sy ny rà. Fô ndraika, manohitra ny fanjakagna sy ny fahefagna ara-panahy sy iré mpanapaky ny fanjakan'ny fahamaizignan-dratsy, manohitra iré fanahy ratsy agny amin'ny fitoeran-dagnitra. 13Noho izegny itafio ny fiadagnan'Andriamanitra jiaby, mbô ahafahanaré mijoro aminjô andron'ny ratsy zao, ary kôfa vitanaré ny raha jiaby, de hahatohitra ianaré.14Mijoroà, noho izagny, kôfa avy nagnano ny fehikibon'ny fahamarinagna sy ny fiarovan-tratran'ny fahitsiagna anaré. 15Ké karaha ny kiraro ho an'ny tongotraré, de hapitaho ny fahavononagna hitory ny filazantsaran'ny fihavanagna. 16Amin'ny toe-javatra jiaby de raiso ny ampingan'ny finoagna, zay afahanaré manohitra iré zana-tsipika mirehitr'afon'ilay ratsy.17Ké raiso ny aro-lôhan'ny famonjegna sy ny sabatry ny fanahy, zay tenin'Andriamanitra. 18Amin'ny vavaka sy fangatahana jiaby, de mivavaha amin'ny fanahy amin'ny fotoagna jiaby. amin'izegny fômba fisainagna izegny, de miambena hatragny amin'ny faharetagna jiaby, kô manolotra vavaka ho an'ire ôlomasign'Andriamanitra ianaré.19Ké mivavaha ho anahy, mbô hisy hafatra hamiagna anahy kôfa manôkatra ny vavako zaho. Mivavaha mbô afahako mampahafantatra amin'ny fahasahiagna ny fahamarinagna mivony mômban'ny filazantsara. 20Ho an'ny filazantsara no maha-ambasadaoro voafatotra amin'ny gadra anahy, mbô afahako magnambara izegny am-pahasahiagna, kô tsy maintsy hikoragna zaho.21Tikiko lay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky akô amin'ny Tompo, no hampahafantatra anaré ny raha jiaby, mbô hahalalanaré zay ataoko. 22Nasaiko taminaré izy noho io tanjona io indrindra, mbô hahafantaranaré iré raha mômba anay, ké mbô afahany mampahery ny fônaré.23Fiadanagna ho aminaré rahalahy, ary ny fitiavana miaraka amin'ny finoagna avy amin'Andriamanitra Ray sy ny Tompo Jesosy Kristy. 24Ny fahasoavagna ane ho amin'izay jiaby tià an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy maty mandrakizay.

1 Timothy

Chapter 1

1Paoly, apostôlin'i Kristy Jesosy karaha ny didin'Andriamanitra mpamonjy antsika sy i Kristy Jesosy tokintsika, 2ho an'i Timoty, zanaka lahy marigna akô amin'ny finoàgna: Fahasoavagna, famindram-pô, ary fiadanagna avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesosy Tompontsika.3Karahà ny nangatahiko mafy ho atônà kôfa niala takô Makedonia zaho, mitoetra akô Efesosy mbô hahafahako mibaiko iré ôlogna sasany tsy hampianatra foto-pampianaragna hafa 4Tsy tôkony hitandrigna iré tantara sy tetiaragna adihevitra fô tsy mpagnampy ny drafitr'Andriamanitra, zay amin'ny alalan'ny finoàgna.5Ary ny tanjon'ny didy de fitiavagna avy amin'ny fô madio, avy amin'ny feon'ny fieritreretagna tsara, ary avy amin'ny finoàgna tsy miatsaravelatsihy. 6Ny ôlogna sasany de tsy nahatratra ny tanjogna ké niala tamin'iré raha iré ho agny amin'ny lahateny adaladala. 7Zaré ré de ho mpampiana-dalagnà, kanéfa zaré ré tsy mahazo zay volagniny sy hizirizirinjaré ré. 8Fô antsika de mahafantatra fô ny lalàna de tsara kô misy araika mampiasa ananjy amin'ny ara-dalagna.9Antsika de mahafantatra izégny, fô ny lalàgna de tsy natô ho an'ny ôlo-marigna, fô ho an'ny mpandika lalàgna sy ôlogna mpikomy, 10ho an'iré ratsy fagnahy sy mpanota, ary ho an'iré andriamani-diso sy tsy masigna. Izégny de natô ho an'iré zay mamono ny papany sy mamany, ho an'ire mpamono ôlogna, ho an'ire ratsy fitondran-tegna ara-nôfo, ho an'ire sodemita, ho an'ire mpalaka an-keriny ôlogna bô ho andevozigna, ho an'ire mpandainga, ho an'ire vavolombelogna tsy marigna, ké na ino na ino hafa manôhitra ny fampianaragna mahatôky. 11Io fampianaragna io de mifagnaraka amin'ny filazantsaran'ny voninahitr'ilay Andriamanitra voàtahy zay nankinina taminahy.12Isaorako i Kristy Jesosy Tompontsika. Nampahery anahy Izy, fô nataony mahatôky zaho, ké nanendry anahy ho amin'ny fanompoagna Izy. 13Zaho de mpiteny ratsy, mpanenjika, ary lalahy mahery setra. Kanéfa nahazo famindram-pô zaho satrià tamin'ny tsy fahalalako no nanaovako izégny noho ny tsy finoàgna. 14Fô ny fahasoavan'ny Tompontsika no nandrakotra tamin'ny finoagna sy fitiavagna zay akô amin'i Kristy Jesosy.15Zô afatra zô de azo atoka sy méndrika ny fanikegna jiaby, fô i Kristy Jesosy de tônga taketo an-tany hamonjy irè mpanota. Zaho no ratsy indrindra tamin'iré. 16Fô noho izègny antony izégny no namindragna fô taminahy, mbô amin'ny alalako, ny mahaventy indrindra, i Kristy Jesosy de mety hampiseho ny faharetagna jiaby. Nagnano izégny Izy ho ôhatra ho an'ire zay magniry hatôky Ananjy ho an'ny fiainagna mandrakizay. Ary ho an'ny 17mpanjakan'ny tôgno, tsy mety naty, tsy hita maso, ny Andriamanitra tôkana, ané ny laza sy voninahitra mandrakizay dorià. Amena.18Zô didy zô no amiako anà, Timoty, zanako, karahà irè faminaniagna natô momba anà tagny alôha, fô anà de mety hiady ny ady tsara, 19ny fiazonagna ny finoàgna sy ny feon'ny fieritreretagna tsara. Tamin'ny fandavana izégny, misy ny nagnano sambo vaky ny finoàgnany. 20Karahà an'i Hymeneo sy Aleksandro, zay natôlotra ho an'i Satana mbô ampianarigna ananjy irè tsy hiteny ratsy.

Chapter 2

1Vôlohagny indrindra noho izégny, de mandrisika zaho fô irè fangatahana, vavaka, fifonagna, ary fisaoragna de natao ho an'ny ôlogna jiaby, 2ho an'iré mpanjaka sy irè jiaby aké amin'ny fahefagna, mbô ahafahantsika miaigny am-piadanagna sy miaigny milamigna amin'ny toe- pagnahy karahà an'Andriamanitra sy fahamendrehagna jiaby. 3Izégny de tsara sy azo ikegna aké anatrehan'Andriamoanitra mpamonjintsika. 4Iriàny mbô ho vonjegna jiaby ny ôlogna jiaby ké ho tônga amin'ny fahalalagna ny marigna.5Fô raika foàgna no Andriamanitra, ary raika' foàgna no mpagnelanelagna an'Andriamanitra sy ny ôlogna, de lay lalahy Kristy Jesosy. 6Izy nagnamia ny tegnany ho vidim-pagnavotagna ho an'ny jiaby, karahà ny finoàgna vavolombelogna amin'ny fotoagna tôkony ho izy. 7Fô amin'izégny tanjogna izégny, zaho, ny tégnako, de nataoko ho mpitory sy ho apostoly. mikoragna ny marigna zaho. tsy mandainga zaho. mpampiagnatra iré Jentilisa amin'ny finoàgna sy fahamarinagna zaho.8Noho izégny, tiàko ny lalahy na akéza na akéza mbô hivavaka sy hanandra-tanagna masigna tsy am-pahavinirana na amin'ny fifandiragna. 9Karahà izégny koà, tiàko ny viavy mbô hagnisy lamba méndrika ny tégnany, amin'ny fahamaotinagna sy fahafehezan-tégna. Tsy tôkony hagnano randrana mirentra, na vôlamena, na voahangy, na lamba lafo vidy. 10Tiáko zarè ré hagnisy lamba amin'izay mety ho an'iré viavy zay mampiseho toe-pagnahy karahà an'Andriamanitra amin'ny alalan'irè asa tsara.11Ny viavy de tôkony hianatra am-pahanginagna ary hagneky tantéraka. 12Tsy ambelako hampianatra ny viavy na hampihatra fahefagna amin'ny lalahy, fô hidôko akô agnaty fahanginagna.13Fô Adama no noforonigna vôalôhany, avy také i Eva. 14Adama de tsy voàfitaka, fô ny viavy no voàfitaka tantéraka tamin'ny fandikan-dalàgna. 15Na izégny aza, hovonjegna izy amin'ny alalan'ny fiterahan-jaza, kôfa mitohy amin'ny finoàgna sy fitiavagna ké fahamasinagna miaraka amin'ny fahononan-tégna.

Chapter 3

1Matokià izô koràgna izô: Kôfa misy ôlogno araiky magniry ny ho mpiandraikitry, de magniry asa tsara izy. 2Noho izégny de ny mpiandraikitra de tsy maintsy tsy manan-tsigny. Tsy maintsy manambady viavy tôkagna izy. Izy de tôkony hahay handajalanja, hendry, tia filaminagna, tia mandray ôlogno. Tsy maintsy mahay mampianatra izy. 3Tsy tôkony za-dratsy amin'ny divay izy, tsy mpila ady, fô ndraiky, malemy fagnahy, feno fiadanam-pô. Izy de tsy tôkony ho tia vôla.4Tôkony hitantagna tsara ny tôkantragnony izy, ké iré zanany de tôkony hagneky ananjy am-pagnajagna tanteraka. 5Fô kôfa tsy mahay mitantagna ny tôkantragno izy, karakôry no hikarakarany ny fiangonan'Andriamanitra?6Tsy tôkony ho ôlogno vao niôva fô izy, mbô tsy hieboeboany kè ho lavo amin'ny fagnamelohagna karaha ny devoly. 7Izy foagna koà de tsy maintsy tsara laza amin'iré ôlogno egny ivelagny, mbô tsy ho lavo agnaty fahafaham-baraka ndraiky fandriky ny devoly.8Iré Diakona, karaha izégny foagna koà, de tôkony ho mendreka. Zaré ré de tsy tôkony hisotro divay be loàtra na tsy mahalala onona ara-kanigna. 9Tôkony hitazogna ny fahamarignan'ny finoagna nambara miaraka amin'ny feon'ny fieritreretagna madio. 10Zaré ré foagna koà de tôkony ho sadraigna mialôha, avy aké de tôkony hanompo satrià tsy manan-tsigny zaré rè.11Iré viavy foagna koà tôkony ho mendrika karaha izégny. Tsy tôkony ho mpagnedrikendrika zaré ré. Tôkony hahay handanjalanja ké mahatoky amin'ny raha jiaby. 12Iré Diakona de tôkony hanambady viavy tôkagna. Tsy maintsy mitantagna tsara iré zanany ndraiky tôkantragnony zaré ré. 13Fô iré zay nanompo tsara de handray ny laza tsara sy fahatokisagna maventy amin'ny finoagna ho an'ny tegnanjaré ré zay akô amin'i Jesosy Kristy.14Manôratra irè raha iré aminà zaho, ké manantegna ny ho avy tsy ho ela agny aminà zaho. 15Fô kôfa tara zaho, de manôratra mbô hahafantaranaré ny fitondran-tegna akô amin'ny tôkantragnon'Andriamanitra, zay fiangonagnan'Andriamanitra velogna, lay vato fehizoro sy fioregnan'ny fahamarinagna.16Tsy azo lavina fô ny fahamarignana nambara zay araka an'Andriamanitra de maventy: ''Izy de niseho tamin'ny nôfo, nohamarignin'ny Fanahy, hitan'ny anjely, nambara také agnivon'irè firenena, ninoan'izô tontôlo izô, ké nasandratra tamim-bôninahitra.''
Chapter 4

1Avaizo mivolagna mazava tsara ny Fanahy fô amin'ny fotoagna agny afara agny de hiala amin'ny finoagna ny ôlongno sanany ké mitandrema tsara ny amin'iré fanahy mpamitaka sy iré fampianaran'iré demonia 2amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpandainga. Fô voàmarika amin'ny vy mamay ny feon'ny fieritreretanjaré ré.3Ho rarànjaré ré ny manambady ndraiky mandray iré hanigna zay noforonin'Andriamanitra ho zaraigna miaraka amin'ny fisaoragna aké amin'iré zay mino sy zay mahafantatra ny marigna. 4Fô ny raha jiaby zay noforognin'Andriamanitra de tsara. Tsisy holavigna ny raha noraisintsika tamim-pisaoragna. 5Fô nohamasinigna tamin'ny koragnan'Andriamanitra ndraiky vavaka izégny.6Kôfa apetrakaré aké agnoloan'iré rahalahy iré raha iré, de ho mpanompo tsaran'i Jesosy Kristy anaré. Fô notazaigna tamin'iré koragnan'ny finoagna ny tamin'ny fampianaragna tsara zay narahinaré anaré. 7Fô lavo ny angano tantarain'ny viavy antitra. Fô ndraiky, tariho hagnamia vôninahitra an'Andriamanitra ny tegnanaré. 8Fô ny vatagna hofanigna de hely foagna no azo ampiasaigna ananjy, nefa fampiasa amin'ny raha jiaby ny toetra araka an'Andriamanitra. Mihazogna ny fampanantinagna amin'itô fiainagna avaizo itô ndraiky fiainan-ko avy.9Itô hafatra itô de mendri-pitokisagna sy mendrika ny fahafenoan'ny fagnekegna. 10Fô noho izégny de hitôlogna sy hiasa mafy atsika. Fô mahatoky akô amin'Andriamanitra velogno atsika, zay Mpamonjy ny ôlogno jiaby indrindra iré zay mino.11Koragno sy ampianaro iré raha iré. 12Ôka tsy hisy ôlogno hagnano tsinontsinogna ny fahatanoranà. Fô ndraiky, ôka ho ôhatra ho an'iré zay mino, amin'ny fivôlagna, fitondran-tegna, fitiavagna, finoagna, ké fahadiovagna. 13Mandra-pihaviko, tohizo ny famakiagna, ny fagnanaragna, ndraiky fampianaragna.14Aza atô tsinontsinogna ny fagnomezam-pahasoavagna zay akô aminà, zay namiagna anà tamin'ny alalan'ny faminaniagna, niaraka tamin'ny fametrahan-tagnan'iré lohologna. 15Tandrovy iregny raha iregny. Meteza ho akô aminjaré ré, mbô hiharihary amin'ny ôlogno jiaby ny fandrosoanà. 16Tandremo tsara ny tegnanà ndraiky fampianaranà. Tohizo iregny raha iregny. Fô kôfa magnano karaha izégny, de ho vonjenà ny tegnanà sy iré zay mihaino anà.
Chapter 5

1Aza mibedy ny anti-dahy. Fô ndraiky, anaro karaha ny ray izy. Anaro karaha ny rahalahy iré lalahy tanôra. 2Anaro karaha ny reny irè vavi-antitra, kè iré viavy tanôra karaha ny anabavy akô amin'ny fahadiôvagna jiaby.3Magnajà iré mpitôndrategna, iré tegna mpitôndrategna. 4Fô kôfa manan-janaka na zafihely ny mpitôndrategna araiky, de avelà zarè ré alôha hianatra haneho fagnajagna akô amin'ny tôkantragnony. Ôka zaré ré hamaly babegna iré ray aman-dregniny, satrià ankasitrahan'Andriamanitra izégny.5Fô ny tegna mpitôndrategna de navela ho irery. Mametraka ny fitokiany amin'Andriamanitra izy. Mipetraka hatragny amin'iré fangatahagna sy vavaka andro amagn'aligna. 6Na izégny aza, ny viavy zay miaigna ho an'ny fahafinaretagna de naty, na de mbôla velogno aza izy.7Torio izégny raha izégny mbô tsy anagnanjaré ré tsigny. 8Fô kôfa misy ôlogno tsy nagnamia ho an'iré havany akaiky, indrindra ho an'iré zay akô amin''ny ankohonanay, de nandà ny finoagna izy ké ratsy lavitra noho ny tsy mpino.9Ôka hosoratagna ho mpitondrategna ny viavy zay tsy latsaky ny enimpôlo taogna, viavy araiky zay vadin'ny lalahy araiky. 10Tôkony ho fantatra noho iré asa tsara izy, na nikarakara iré ankizy, na foagna koà nampiantragno iré mpivahiny, na nanasa ny tôngotr'iré mpino, na nagnamaivagna ny ory, na nanôlo-tegna tamin'ny asa tsara jiaby.11Fô ho an'iré mpitondrategna mbôla tanôra ndraiky, de aza manaiky ny hanôratra ananjy iré akô agnaty lisitra. Fô rehefa milavo-lefogna amin'ny filan'ny nôfo hanohitra an'i Kristy zaré ré, de te-hanambady. 12Amin'izégny zaré ré de hahazo fagnamelohagna satrià namadika ny fagnoloran-tegna voàlôhany. 13Ké de lasa raha malaigna koà zaré ré. Mandehandeha mitety tragno. Tsy hoe lasa malaigna fotsiny foagna zaré ré, fô lasa mpifôsa sy mpila ady foagna koà. Mivôlagna raha zay tsy tôkony ho volagnina zarè ré.14Noho izégny de tiako hanambady iré viavy mbôla tanôra, hiteraka, hikarakara tôkantragno, mbô tsy ahafahany magnamia irika ny fahavalo hiampanga anay ho anà ratsy. 15Fô ny sanany efa nivily sahady hagnaraka an'i Satana. 16Kôfa misy viavy mino managna mpitôndrategna, ôka izy hagnampy ananjy iré, mbô tsy hagnavesatra ny fiangonagna, mbô hahafahany magnampy irè tegna mpitôndrategna marigna.17Ôka irè lohôlogno zay manapaka tsara mbô ho raisigna ho mendri-bôninahitra ambo roy heny, indrindra iré zay miasa miaraka amin'ny koragna sy amin'ny fampianaragna. 18Fô ahozy ny Sôratra Masigna hoe: ''Tsy tôkony hagnisy fehiny ny vavan'ny ômby anaré kôfa mbôla mively voa izy.'' ké koà: ''Ny mpiasa de mendrika ny karamany.''19Aza mandray fiampangagna manôhitra ny lohôlogno araiky kôfa tsisy vavôlombelogno roy na telo. 20Ahitsio aké agnatrehan'ny jiaby iré mpanôta mbô hatahotra ny ambiny hafa.21Mandidy anà mafy zaho aké agnatrehan'Andriamanitra sy aké agnatrehan'i Kristy Jesosy ké iré anjely voàfidy, mbô hihazognanà iré didy iré tsisy fitsaratsaragna ké mbô tsy hanaôvanà na ino na ino amin'ny fiandaniagna. 22Aza maimaika mametra-tanagna aminjôvy na zôvy. Aza miray akô amin'ny fahotan'ny ôlon-kafa. Tôkony hihazogna ny tegnanà hadio anà.23Tôkony tsy hisôtro rano intsony anà. Fô ndraiky, tôkony handray divay hely anà ho an'ny vavôny sy iré aretinà mateti-pitranga. 24Ny fahotan'iré ôlogno sanany de fantatra miharihary, ké zaré ré de mandeha alôhan'iré akô amin'ny fitsaragna. Fô ny ota sanany magnaraka avy atô afara. 25Karaha izégny foagna koà, misy asa tsara fantatra miharihary, saingy iré sanany aza de tsy azo afenina.

Chapter 6

1Ôka iré raha zay akô ambanin'ny zioga karaha iré andevo mbô hagnano ny tômpony ho mendrika ny haja jiaby. Izy iré de tôkony hagnano izégny mbô tsy hivolanagna ratsy ny agnaran'Andriamanitra ndraiky fampianaragna. 2Iré andevo zay managna tompo mino de tsy tôkony hagnano tsinontsinogna ananjy iré satrià mpirahalahy aminanjy. Fô ndraiky, zaré ré de tôkony hanômpo iré hatragny hatragny. Fô iré tompo zay nampiagna tamin'ny asanjaré ré de mpino sady tiavigna. Ampianaro ké ambarà iré raha iré.3Hevero fô ny ôlogno de mampianatra amin'ny fômba hafa kè tsy manaiky ny fanoroantsika ara-pinoàgna, zay, koragnin'i Jesosy Kristy Tompontsika. Hevero fô zaré ré de tsy manaiky ny fampianaragna zay mitôndra agny amin'ny toetra araka an'Andriamanitra. 4Izégny ôlogno izégny de mirehareha ké tsy mahalala na ino na ino. Fô ndraiky, izy de adalan'iré adihevitra sy iré fandresen-dahatra momba iré koragna. Iregny koragna iregny de miteraka fialonagna, fagnevatevagna, ahiahy ratsy, 5kè ny fifandonagna aké amin'ire ôlogno maloto fisaignagna. Mialà amin'ny marigna zaré ré. Mihevitra izy fô ny toetra araka an'Andriamanitra no fômba ahatongavagna ho mpanan-kariagna. [Fagnamarihagna: Ny fandikagna talôha sanany de magnampy hoe: ''Mialà amin'ny raha karaha izégny''. Fô ny fandikagna talôha tsara indrindra de tsy magnampy izégny.]6Ké ny toetra araka an'Andriamanitra miaraka amin'ny fahafaham-pô de tombony maventy. 7Satrià atsika de tsy nitôndra na ino na ino amin'izô tontôlo izô. Tsy hahavita hitôndra na ino na ino atsika. 8Fô ndraiky, ôka atsika ho afa-pô amin'ny hanigna ndraiky fitafiagna.9Ké iré zay te ho lasa mpanan-kariagna de latsaka akô agnatin'ny fakam-pagnahy, akô agnatin'ny fandrika. Latsaka takô agnatin'ny hadalagna sy iré filàgna mampidi-dôza maro zaré ré, ké foagna koà iré hafa mandetika iré ôlogno akô amin'ny faharavagna ndraiky fandriganagna. 10Satrià fôtotr'iré karazan-dratsy jiaby ny fitiavam-bôla. Ny ôlogno sanany zay magniry izégny de efa vôvily niala tamin'ny finoagna kè nagnindroa ny tegnanjaré ré tamin'ny fahoriagna maventy.11Fô anà, ry lalahin'Andriamanitra, mandosira iré raha iré. Miezaha mitady ny fahamarinagna, ny toetra araka an'Andriamanitra, ny fahatokisagna, ny fitiavagna, ny faharetagna ké ny hatsaram-pagnahy. 12Miadia ny ady tsaran'ny finoagna. Hazogny ny fiainagna mandrakizay fô ho amin'izégny no niantsoagna anà. Izégny de momba ny nijoronà vavôlombelogno ny amin'izay inoanà také agnatrehan'irè vavôlombelogna maro tamin'izay tsara.13Zaho de magnamia anà izégny didy izégny aketo agnoloan'Andriamanitra, zay nahatônga ny raha jiaby ho velogno, iré aké agnatrehan'i Kristy Jesosy, zay nivôlagna ny marigna také agnatrehan'i Pontio Pilato: 14Tehirizo tsara ny didy, tsy manan-tsigny, mandra-pisehon'ny Tompontsika Jesosy Kristy.15Andriamanitra de maneho ny fisehoany amin'ny fotoàgna tôkony ho izy_Andriamanitra, lay araiky zay notahiagna, lay hery tôkagna, lay Mpanjaka zay manjaka, ké lay Tompo zay manapaka. 16Izy irery foagna no managna ny tsy fahafatesagna ké mitoetra aké amin'ny hazavagna tsy azo hagnatôgnagna. Tsisy ôlombelogno mahita ananjy na afaka mijery Ananjy. Ho ananjy anie ny vôninahitra ndraiky hery mandrakizay. Amena.17Volagno ny mpanan-karigna amin'izô tontôlo izô mbô tsy hirehareha, sy manantegna ny haregna, zay tsy azo antoka. Fô ndraiky, tôkony hagnantegna an'Andriamanitra zaré ré. Magnamia antsika ny hariagna marigna jiaby Izy mbô hifaliantsika. 18Volagno zaré ré mbô hagnano ny tsara, mbô hanan-kariagna amin'ny asa tsara, mbô alala-tagnagna, ké vônogno hizara. 19Amin'izégny fômba izégny, de ho tehirizinjaré ré ny fototra tsara ho an'ny tagnany amin'izay ho avy, ké hihazognany ny tegna fiaignagna.20Ry Timoty, arovy zay natôlotra anà. Hiala ny koaragna adala ndraiky fandresen-dahatra mifanohitra momba ny fiantsoagna diso ny amin'izay atô hoe fahalalagna. 21Ny ôlogno sanany de magnambara izégny raha izégny ké de tsy nahatsiaro ny finoagna zaré ré. Ho aminaré anie ny fahasoavagna.

2 Timothy

Chapter 1

1Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny sitrapôn'Andriamanitra, karahà ny fampagnantinan'ny fiainagna zay akô amin'i Kristy Jesosy, 2an'i Timoty, zanaka tiagna: fahasoavagna, fiantragna, ndraiky fiadanana avy amin'Andriamanitra lay Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.3Misaotra an'Andriamanitra zaho, zay tompoiko avy amin'iré razambeko, miaraka amin'ny feon'ny fieritreretagna madio, 4karaha ny hahatsiarôvako anà mandrakariva amin'ny fivavahako andro aman'aligny. Karaha ny hahatsiarôvako iré ranomasonà, magniry mafy ny hahita anà zaho, ké mety ho feno hafaliagna zaho. 5Nampahatsiahivigny taminahy ny finoagnanà marigny, zay nihaigny vôlohagny takô amin'ny mamabenà Loisa sy ny mamanà Eonisa, ké resilahatra zaho zao fô miaigny akô aminà foagna koà izégny.6Izégny no antony ampahatsiahiviko anà mbô hampiasanà indraiky ny fagnomezan'Andriamanitra akô aminà amin'ny alalan'ny famitrahako tagnana. 7Fô Andriamanitra tsy nagnamia fagnahin'ny tahotro antsika, fô ny hery sy fitiavagna ndraiky fifehezan-tegna.8Ké aza megnatra amin'ny fijoroagna vavôlombelogno momban'ny Tompontsika, na aminahy, Paoly, lay gadrany. Fô ndraiky, mizarà amin'ny fahoriagna ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra. 9Fô Andriamanitra no namonjy sy nagnantso antsika tamin'ny antso masigny. Nagnano izegny Izy, tsy noho iré asantsika fô nohon'ny drafitra zay efa natony sy ny fahasoavany. Na de mbôla tsy niandoha aza ny fotoagna de efa nagnamià antsika iregny raha iregny takô amin'i Kristy Jesosy Izy. 10Fô avaizo ny famonjen'Andriamanitra de nivolagniny tamin'ny alalan'ny fisehoan'i Kristy Jesosy Mpagnavotro antsika. Kristy zay nanafoagna ny fahafatesagna ké nitondra fiainagna zay tsy ho tapitry mandrakizay mbô hagnazava amin'ny alalan'ny filazantsara. 11Noho izègny, de voatondro ho mpitory teny zaho, ho apostoly, ary ho mpampianatra. [Fagnamarihagna: Iré dikan-teny talôha sanany de magnampy hoe: ''Ho an'ny Jentilisa.'']12Fô noho izègny antony izégny de mijaly amin'iregny raha iregny foagna koà zaho. Fô tsy megnatra zaho, satrià fantako izy lay ninoako. Resy lahatra zaho fô afaka mitagna zay efa nankigniko taminanjy izy mandra-pahatongavan'izégny andro izégny. 13Tano ny ohatra momba iré hafatry ny finoagna zay regninarè taminahy, miaraka amin'ny finoagna sy fitiavagna zay akô amin'i Kristy Jesosy. 14Ny raha tsara zay nataon'Andriamanitra taminà, ambeso amin'ny alalan'ny Fagnahy Masigna izégny, zay miaigna akô amintsika.15Fantanaré izégny, fô zay jiaby nipetraka tagny Azia de nivadika taminahy. Akô amin'io fikambanagna io iré Fizelio sy ireo Hermozena. 16Enga ané ny Tompo hagnamia famindram-pô amin'ny tonkantragnon'i Onesiforo, satrià namelombelogno anahy matetika izy ary tsy megnatra tamin'ny gadrako. 17Fô ndraiky, kôfa tagny Roma izy, de nitady anahy mafy, ké hitany zaho. 18Ny Tompo ané hagnatoro ananjy ké hahitany famindram-po avy aminanjy amin'izegny andro izegny. Iré fomba jiaby nagnampiany anahy takô Efesosy, de fantanaré tsara.

Chapter 2

1Noho izegny anà, ry zanako, mahereza akô amin'ny fahasoavagna izay akô amin'i Jesosy Kristy. 2Iré raha regninaré avy aminahy také agnatrehan'ny vavolombelogno maro, de hankino amin'ny ôlogno mahatoky izay afaka hampianatra ny sanany koa.3Miareta raha sarotro miaraka aminahy, karaha ny miaramila tsaran'i Jesosy Kristy. 4Tsy misy miaramila manompo koa mbôla voafandrik'iré raharahan'izao fiainagna izao, mbô hafahany mampifaly ny lehibeny. 5Ary, koa misy ôlogna mifaninagna karaha ny atileta, de tsy mahazo ny satro-boninahitra izy koa tsy mifaninagna amin'ny alalan'iré fitsipika.6Ilaigna ny fandraisan'ilay mpamboly izay miasa mafy ny anjara vokatra voalohany. 7Saigno ny momba izay volagniko, fô ny Tompo no hagnomia anaré ny fahatakaragna amin'ny raha jiaby.8Tsarovo Jesosy Kristy avy amin'ny taranak'i Davida, izay natsangagna tamin'iré maty. Izegny de araka ny hafatra ny filazantsarako, 9izay mampijaly anahy ny amin'ny famihezagna karaha ny mpamono ôlogno. Fô ny tenin'Andriamanitra de tsy voafehy. 10Noho izegny de hiaretako ny raha jiaby ho an'iré voafidy, mbô ho afaka hahazo ny fagnavôtagna izay akô amin'i Kristy Jesosy foagna koa izy iré, miaraka amin'ny voninahitra mandrakizay.11Itô teny ito de mendri-pitokisagna: ''Koa maty miaraka taminanjy atsika, de ho velogna hiaraka aminanjy foagna koa. 12Koa miaritra atsika, de hanjaka hiaraka aminanjy foagna koa. Koa mandà Ananjy atsika, de handà antsika foagna koa Izy. 13Koa tsy mahatoky atsika, de hahatoky foagna Izy, satria tsy afaka mandà ny tegnany Izy.''14Ampahatsiahivo ananjy iré foagna iré raha iré. Ampitandremo aké agnatrehan'Andriamanitra zaré ré mbô tsy hifamaly momba iré teny. Noho io de tsy misy raha ilaigna. Noho io de misy faharatragna ho an'iré izay mitandregny. [Fagnamarihagna: ny dikan-teny sanany de mivaky hoe: ''Ampitandremo aké agnatrehan'Andriamanitra zaré ré] 15Amia ny tsara avy aminà mbô hanoloranà tegna ho an'Andriamanitra karaha ilay ankatoavigna, mpiasa izay tsy managna antony hahamegnaragna, izay mapianatra ny tenin'ny fahamarinagna amin'ny tôkony ho izy.16Hialà ny koragna fanevatevagna, izay mitondra tsihelihely agny amin'ny faharatsiam-pagnahy. 17Ny koragna-njaré ré de hiparitaka karaha ny vay manômbaka. Aké agnivon'iré Hymeneo sy Fileto. 18Izy iré no lalahy tsy mbô nahafantatra ny marigny. Mivolagna zaré ré fô ny fitsanganagna amin'ny maty de efa nitranga. Raté-njaré ré ny finoagnan'ny sanany.19Na de izegny aza, ny fototra mafy aorin'Andriamanitra de nitsangagna. Managna itô sôratra itô: ''Ny Tompo de mahafantatra iré izay ananjy'' ary ''Izay jiaby manognona ny agnaran'ny Tompo de tsy maintsy miala amin'ny tsy fahamarinagna.'' 20Akô amin'ny tragnon'ny mpanan-kariagna, de tsy iré fitoeran'ny vôlamena sy vôlafotsy foagna no akô. Misy foagna koa iré fitoeran'ny kakazo sy tanimanga. Ny sanany amin'izy iré de ho ampiasaigna amim-boninahitra, ary ny sanany ho amin'ny fagnalam-baraka. 21Koa misy ôlogno magnadio ny tegnany ho afaka amin'ny fahafaham-baraka, de fitoeragna manan-kaja izy. Izy de voatôkagna, ilain'ny Tompony, ary voahomagna amin'ny asa tsara jiaby.22Milifàsa an'iré filàn'ny tanora. Mitadiva fahamarinagna, finoagna, fitiavagna, ary fihavanagna miaraka amin'iré izay magnantso ny Tompo amin'ny fô madio. 23Kanefa mandàva iré fagnotaniagna mahôla sy tsy misy fôtony. Fantanarê fô miteraka ady iré.24Ny mpanompon'ny Tompo de tsy tôkony mifanditra. Fô ndraiky tsy maintsy malemy fagnahy amin'ny jiaby izy, mahay mampianatra, ary maharatra. 25Tsy maintsy akô amin'ny fahalimiam-pagnahy no ampianarany iré izay manohitra ananjy. Fô angamba Andriamanitra mety hagnomia ananjy iré fibebahagna ho an'ny fahafantaragna ny marigna. 26Mety hôdy indraiky ny fisaignan-jaré ré ary handao ny fandrikin'ny devoly, kôfa avy nisamborigny tamin'ny sitrapôny.
Chapter 3

1Fô fantaro izao: amin'iré andro farany de hisy iré fotoan-tsarotra. 2Satria ny ôlogna ho tia tegna, tia vôla, ho mpirehahareha, ho mpandoka-tegna, ho mpanevateva an'Andriamanitra, tsy manoa Ray aman-dReny, tsy misaotra, ary tsy masigna. 3Tsy hanam-pitiavagna ny fianakaviagnany zaré ré, mpanohitohitra, ho mpagnedrikendrika, tsy hahafehy tegna, hahery setra, tsy ho tiany tsara. 4Ho mpamadika izy iré, tsy misy eritreritra, mpagnambony tegna, tia fahafinaretagna mihoatra noho iré tia an'Andriamanitra.5Hanagna ny toetra karaha ny an'Andriamanitra zaré ré, kanefa de handà ny heriny. Mialà amin'iregny ôlogno iregny. 6Satria ny sanany tamin'iré de iré lalahy izay miditra akô an-tokantragno ary mambabo iré viavy mahôla. Iré no viavy izay tsy afaka amin'ny fahotagna sy voatarika amin'iré filàgna samby hafa. 7Iré viavy iré de mianatra foagna, kanefa tsy ho tônga amin'ny fahafantaragna ny fahamarignana aby.8Karaha izegny foagna koa i Jana sy i Jambra nitsangagna nanohitra an'i Mosesy. Tamin'ny izegny de nitsangagna foagna koa iré mpampianatra sandoka iré hanohitra ny marigna. Zaré ré de lalahy maratra fisaignana, tsy nankasitrahigna tamin'ny finoagna. 9Fô tsy handroso lavitra zaré ré. Satria ny hôlany de ho hita mazava amin'ny ôlogna jiaby, karaha ny anin'iré lalahy iré.10Fô koa anaré ndréky, de efa nagnaraka ny fampianarako, ny fitondragna, ny fikasagna, ny finoagna, ny faharetam-pô, ny fitiavagna, ny faharetagna, 11iré fangninjehagna, iré fijaliagna, ary izay nitranga taminahy tagny Antiokia, tagny Ikonioma ary tagny Lystra. Niharitra iré fagninjehagna zaho. Avy amin'iré raha jiaby iré, de mamonjy anahy ny Tompo. 12Izay jiaby te-hiaigna araka ny fomban'Andriamanitra akô amin'i Kristy Jesosy de ho injehigna. 13Iré ôlon-dratsy sy iré mpisandoka de ho agny amin'ny ratsy lombolombo ny teo. Izy iré de hitarika iré ôlon-kafa ho agny amin'ny lalan-diso. Ary zaré ré tegnany de ho voatarika amin'izegny.14Fô koa anaré ndréky, mipitraha akô amin'iré raha izay efa nianaranaré sy izay efa ninoanaré mafy hoe avy amin-jôvy no efa nianaranaré. 15Fantanaré fô hatramin'ny fahazazagna de efa nahafantatra iré asa sôratra masigna anaré. Iregny de hahavita hampahendy anaré ho amin'ny fomonjegna amin'ny alalan'ny finoagna an'i Jesosy Kristy.16Ny sôratra masigny jiaby de avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Izegny de tombony ho an'ny fotom-pampianaragna, ho an'ny fanondroagna iré diso, ho an'ny fagnitsiagna,ary ho an'ny fampiofanagna amin'ny fahamarinagna. 17Izegny de mbô hahatônga ny lalahin'Andriamanitra hahay tsara, sy ho voahomagna tanteraka amin'ny asa tsara jiaby.
Chapter 4

1Izaho de magnomia itô didy hentitra itô aké agnatrehan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy, izay hitsara ny velogno sy ny maty, ary noho ny fisehoany sy ny fanjakany: 2Mitoria ny teny. Mivognôna na amin'ny fotoagna na tsy amin'ny fotoagna. Magnanàra, mivolagna mafy, mampirisiha, amim-paharetagna sy ny fampianaragna jiaby.3Satria ho avy ny fotoagna izay tsy hazakan'ny ôlogno ny feon'ny fampianaragna. Fô ndrèky, zaré ré de hisafidy mpampianatra ho ananjy araka iré fagniriany manôkagna. Iré de hagnitikitika ny tadignin-jaré ré. 4Hagnala ny fitandrignesan-jaré ré amin'ny fahamarinagna iré, ary hivily ho agny amin'iré angano. 5Kanefa anaré, eritrereto tsara ny raha jiaby. Hiareto ny raha sarotro; ataovo ny asan'ny evanjelista; tantiraho ny fanompoagnanaré.6Satria efa ho atolotro sahady zaho. Efa tonga ny fotoagna hialako. 7Izaho de efa nahavita ny ady tsara; efa nahavita ny hazakazaka zaho; efa nitanako ny finoagna. 8Ny satro-boninahitry ny fahamarinagna de efa voatôkagna ho anahy, izay hamian'ny Tompo, ilay mpitsara marigna, ho anahy amin'izegny andro izegny, ary tsy ho anahy araiky foagna, fô ndrèky koa ho an'iré jiaby izay efa nitia ny fisehoany.9Amia izay tsara jiaby avy aminà mbô handehanagna akè aminahy malaky. 10Satria i Demasy efa nandao anahy. Tiany izao tontolo izao ké efa nandeha tagny Tesalonika izy. Kreska de nankany Galatia, ary Titosy nankany Dalmatia.11Lioka araika foagna no miaraka taminahy. Alaivo i Marka ké indôsy izy miaraka aminà satria ilaiko amin'ny asa izy. 12Tykiko de naléfako tagny Efesosy. 13Ilay lamba izay nambelako takô Troasy miaraka amin'ny Karpo, indôsy igny kôfa tonga anà, ké iré boky, indrindra iré mifôgno hoditra.14Aleksandro ilay mpagnefy varahigna de nampiharihary asa ratsy fôntry taminahy. Ny Tompo de hamaly ananjy araka iré asany. 15Anà foagna koa de tokony hitandrigna ny tegnanà aminanjy, satria izy de manohitra mafy iré koragnanay. 16Tamin'ny fiarôvan-tegnako voalohany, tsisy nanohagna anahy. Kanefa ndrèky, ny ôlogno jiaby nandao anahy. Aoka mbô tsy ho voaheloko amin'izegny zaré ré.17Fô ny tompo de nitsangagna také agnilako ké nankahery anahy mbô, amin'ny alalako, ny fagnambaragna de afaka tantirahigna tanteraka, ké mbô afaka haharegny iré Jentilisy jiaby. Izaho de avotro tamin'ny vavan'ny liona. 18Ny Tompo de nanavotra anahy tamin'ny asa ratsy jiaby ké namonjy anahy tamin'ny fanjakany agny an-dagnitry. Ho ananjy ané ny voninahitra mandrakizay doria. Amena.19Ataovo velôma i Prisila, i Akoila, ary iré ankohonan'i Onesiforosy. 20Erasto de nidôko takô Korinto, fô i Trofimo de nilaozako fô narary akô Mileto. 21Amià izay tsara indridra avy aminà mbô ahatongavagna alôhan'ny rirignina. Magnano velôma anà i Eolobolo, ary Poda ndrèky koa, Lino, Klaodio, ary iré rahalahy jiaby. 22Hiaraka amin'ny fagnahinà ané ny Tompo. Ho aminaré ané ny fahasoavagna.

Titus

Chapter 1

1Paoly, mpanompon'Andriamanitra kè Apostolin'i Jesosy Kristy, hagnamafy ny finoan'ny ôlom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalalagna ny marigna zay magnaraka ny toe-pagnahy araka an'Andriamanitra, 2amin'ny fahatokisagna ny fiaignagna mandrakizay, zay nampanantegnain'Andriamanitra, lay tsy mandainga, fôny fahagôla. 3Tamin'ny fotoagna voàtôndro, de nasehony ny teniny tamin'ny hafatra zay natokisany ho ampitaiko. Nataoko izégny araka ny didin'Andriamanitra lay Mpamonjy antsika.4Ho an'i Titosy, zanaka marigna akô amin'ny finoagna hikambanantsika. Fahasoavagna sy fiadanagna avy amin'Andriamanitra lay Ray sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. 5Noho izô antony izô no namelako anà tagny Kreta, de ny mbô handaminanà iré raha mbôla tsy vita sy hanendry lôhologna isaky ny tanàgna araka zay efa nandidiako anà.6Ny lohôlogna de tsy tôkony hanan-tsigny mihintsy, vadin'ny viavy araiky, managna zanaka mino tsy voàmpanga ho manara-pô amin'ny ratsy na maditra. 7Ilain'ny mpitandrigna, amin'ny maha-mpagnano ny asan'Andriamanitra, ny tsy fanagnan-tsigny. Tsy tôkony hahery fivôlagna na mirehareha. Tsy tôkony ho mora vignitra, tsy mpimamo, tsy lian'ady, ké tsy ôlogno tia vôla.8Fô ndraiky, tôkony hampiantragno izy, sakaizanjôvy tsara. Tsy maintsy mahonon-tegna, marigna, masigna, ké mahafehy tegna. 9Tôkony mitagna mafy ny hafatra zay efa nampianarigna izy, mbô afahany mampahery iré hafa amin'ny fampianaragna tsara ké hagnitsy iré zay manôhitra ananjy.10Fô maro ny ôlogno mpikomy, indrindra iré zay voàfora. Tsisy lanjany ny koragnanjaré rè. Mandiso fanantenagna sy mitarika ny ôlogna agny amin'ny lalan-diso zaré ré. 11Ilaigna ny manakagna ananjy iregny. Mampianatra ny tsy tôkony hampianarigna zaré ré mbô ahazoagna hariagna maloto kè mandrava ny fianakaviagna jiaby.12Nisy araiky taminjaré ré, zay lalahy hendrinjaré rè, nivôlagna hoe: ''Ny Kretana de mpandainga mandrakariva, ratsy ké biby mandoza, kamo be tenda.'' 13Marigna izégny voàlaza izégny, noho izégny anaro mafy zaré ré mbô hatanjaka amin'ny finoagna.14Aza miraharaha iré anganon'ny Jiosy na irè didin'ny ôlogno zay niala tamin'ny fahamarinagna.15Ho an'irè zay madio, de madio ny raha jiaby. Fô ho an'iré zay voàloto sy tsy mino ndraiky, de tsisy madio na ino na ino. No ho ny saigna sy ny fieritreretany efa voàloto. 16Manaiky fô mahalala an'Andriamanitra zaré ré, kanefa mandà Ananjy amin'iré asany. Mpankahala sy mpandika lalàgna zaré ré. Tsy mahavita asa tsara na ino na ino.
Chapter 2

1Fô anà ndraiky, mivôlàgna zay mifagnaraka amin'ny fampianaragna marigna. 2Iré lalahy efa nahazo taogna de tsy maintsy mahay mitôndra tegna, maotigna, mahonon-tegna, matanjaka amin'ny finoagna, amin'ny fitiavagna, ké amin'ny faharetagna.3Karaha izégny koà iré viavy efa nahazo taogna de tôkony hampiseho hatragny ny tegnanjaré ré ho tsara fitondran-tegna, fô tsy mpifôsa. Tsy Tôkony ho andevozin'ny divay loàtra zaré ré 4mbô hampiofagnana iré viavy tanora ho tegna tia ny vady aman-janany manôkagna. 5Tôkony hampianatra ananjy iré hahonon-tegna, hadio, hikarakara tôkantragno tsara, ké hagneky ny vadiny zaré ré. Tôkony hagnano izégny raha jiaby izégny zaré ré mbô tsy ho voaheso ny Koragnan'Andriamanitra.6Karaha izégny, ampaherezo iré lalahy mbôla tanora mbô hahonon-tegna. 7Amin'ny fômba jiaby de atoroy ny tegnanà ho modelin'iré asa tsara; kè rehefa mampianatra anà, de manehoa fahitsiagna sy fahamendrehagna. 8Mivolàgna hafatra salama sy tsy misy tsigny, mbô ho megnatra zay manohitra na zôvy na zôvy, satrià ny managna na ino na ino ratsy ho volagnina momba antsika izy.9Iré mpanômpo de tôkony hagneky ny tompony amin'ny raha-jiaby. Hagnano zay sitrapôny fô tsy hifamaly aminanjy. 10Tsy tôkony hangalangalatra zaré ré. Fô ndraiky, tôkony haneho ny finoagna tsara jiaby zaré ré, mbô hampahamendrika ny fampianarantsika momba an'Andriamanitra mpamonjy antsika amin'ny lafiny jiaby.11Fô efa niseho tamin'ny ôlo-jiaby ny fahasoavan'Andriamanitra. 12Mampianatra antsika handà ny toetra tsy araka an'Andriamanitra sy ny filàn'izô tontôlo izô izégny. Mampianatra antsika hiaigna am-pihononagna, am-pahamarinagna, ké araka ny lalan'Andriamanitra amin'izô vanim-potoagna izô izégny 13aké am-piandrasantsika fatratra zay handraisantsika ny fanantenagna mahafinaritra, ny fisehoan'ny voninahitry ny Andriamanitra maventy sy Mpamonjy Jesosy Kristy.14Jesosy de nanolotra ny tegnany ho antsika mbô hagnavotra antsika hiala amin'ny tsy fagnarahan-dalàgna jiaby sy hagnadiovagna, ho an'ny tegnany, ôlogna araiky manôkagna zay tegna mazoto hagnano asa tsara.15Ambarà ké indôsy ampaherezigna iré raha iré. Magnomeva fagnitsiagna amin'ny fahefagna jiaby. Aza avela hisy ôlogna hagnano tsinontsinogna anà.
Chapter 3

1Ampaherezo zaré ré hagnaiky iré mpanapaka sy iré manam-pahefagna, hagneky ananjy iré, ho vonogna amin'ny asa tsara jiaby. 2Ampatsiahivo zaré ré tsy hagneso na zôvy na zôvy, hiala amin'ny adihevitra, hamela ny hafa hagnaraka ny lalany, ké hampiseho fagnetre-tagna amin'ny ôlogno jiaby.3Fô také alôha ny tegnantsika de tsy nanan-tsaigna ké tsy nankàtoa. Voatarika tamin'ny lalan-diso atsika ké nandevozin'ny filàgna sy ny fahafinaretagna samihafa. Niaigna takô amin'ny faharatsiagna ndraiky fialognagna atsika. Nankahalaigna zahay ké nifankahala atsika.4Fô rehefa niseho ny hatsaram-pagnahin'Andriamanitra mpamonjy antsika sy ny fitiavany ny ôlombelogno, 5de tsy tamin'ny asan'ny fahamarinagna natôntsika izégny, fô tamin'ny famindram-pôny no namonjeny antsika. Izy de namonjy antsika tamin'ny alalan'ny fagnadiovan'ny fahateraham-bôvô ndraiky fagnavaozagna tamin'ny Fanahy Masina.6Andriamanitra nandrotsaka betsaka tamintsika ny Fanahy Masina tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. 7Natôny izégny mbô, ho voamarigna tamin'ny fahasoavagna, de ho tônga mpandôva atsika amin'ny alalan'ny fahatokisagna ny fiainagna mandrakizay.8Izégny hafatra izégny de mendri-pitokisagna. Tiako hivôlagna momba izégny raha izégny am-pahatokisagna anaré, mbô iré zay mahatoky an'Andriamanitra de hikasa hagnano iré asa tsara zay efa napetrany také alôhanjaré ré. izégny raha izégny de sady tsara no mahasoa ho an'ny ôlogno jiaby.9Fô ialà ny adihevitra adala sy ny tantaram-pirazanagna ké ny fifandiragna sy ny ady momban'ny lalàgna. Iré raha iré de raha foagna sy tsy mampanjary. 10Mandà zay ôlogno jiaby miteraka fizarazaragna aké agnivonarè, afaran'ny fampitandremagna indraiky na indroy, 11ké fantaro fô ny ôlogno ohatr'izègny de niala tamin'ny lalagna marigna ké manota sy magnameloka ny tegnany.12Rehefa nagniraka an'i Artema na Tykiko agny aminaré zaho, de faingàna kè mandihagna agny aminahy agny Nikopolia, zay nagnapahako hevitra andaniagna ny ririnina. 13Faingàna ké alifaso Zena, lay mpahay lalâgna, sy Apolosy, mbô tsy hanan-jaha-mahory zaré ré.14Ny ôlontsika de tsy maintsy mianatra magnano asa tsara zay ilaigna maika mbô tsy ahatônga ananjy irè tsy hamôkatra.15Iré jiaby miaraka aminahy de magnano velôma anaré. Magnanaova velôma iré zay tia antsika amin'ny finoagna. Ho aminaré jiaby anie ny fahasoavagna.

Philemon

Chapter 1

1Paoly, voafonja an'i Jesosy Kristy, sy ny rahalahy Timoty ho an'i Filemona, namagna malalanay sy mpiara-miasa aminay, 2ary ho an'i Apia anabavinay, sy Arkipo miaramila namanay, ary ho an'ny fiangonagna izegny miangogna akô an-dragno.3 Ho aminaré ané ny fahasoavagna sy fiadanagna avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.4Misaotra ny Andriamanitra hatragny zaho. 5Manognogna anà zaho amin'ny fivavahako. Kôfa naharegny ny amin'ny fitiavagna ndraiky finoagna izay anagnanà akô amin'i Jesosy Tompo ary ho an'iré mpino jiaby zaho. 6Mivavaka zaho mbô hahatônga ny fiombonagna amin'ny finoagnanà hahomby amin'ny fahalalagna ny raha tsara jiaby izay aké amintsika akô amin'i Kristy. 7Fô nanagna fifaliagna ndraiky finoagna bé zaho nohon'ny fitiavanà, satria ny fôn'iré mpino de novelombelomigna tamin'ny alalanà, ry rahalahy.8Noho izegny, na de managna fahasahiagna jiaby akô amin'ny Kristy aza zaho handidy anà mbô hagnano izay tôkony hatônà, 9kanefa nohon'ny fitiavagna, de magnantso anà koa zaho - zaho, Paoly, lalahy bé, ké avaizo gadra ho an'i Jesosy Kristy.10Mangataka anà zaho ny amin'ny zanako Onesimosy, izay naterako tamin'ny fatorako. 11Fô izy de tsy nampanjary anahy také alôha, fô avaizo izy de mapanjary anà ndraiky izaho. 12Nalefako niherigna ho agny aminà izy, izy ilay tiako tokoa. 13Magniry ny hitazogna ananjy hiaraka aminah zaho, mbô ahahafahany manômpo zaho ho anà, kô mbôla voafatotra nohon'ny filazantsara zaho.14Kanefa tsy te hagnano na ino na ino kô tsy misy ny fanikenà zah. tsy tiako ho an-katiriagna ny asa soa atônà fô an-tsitrapô. Dônko noho izegny no nisarahany taminà 15nandritran'ny fotoagna fohy, mbô hanananà ananjy mandrakizay. 16Tsy ho andevo intsony izy, fô tsara mihoatra ny noho ny andevo, de rahalahy malala. Izy no malala indrindra aminah, ké mihotra lavitra ho nanà, na akô amin'ny nôfo na akô amin'ny Tompo.17Izy koa managna anahy ho mpiara-miasa anà, de raiso karaha zaho izy. 18Izy kôa magnano ny tsy mety izy na mitrôsa na ino na ino aminà, de anö ho anahy izegny. Izaho, Paoly, magnoratra izao amin'ny tagnako: 19Izaho no hagnefa aminà. Tsy mivôlagna aminà hoe misaotra ny tegnanà aminahy anà. 20Ia, ry rahalahy, anö mahazo antômbony akô amin'ny Tompo Zaho; amiao fitsaharagna ny fôko akô amin'i Kristy.21Ny toky mômba ny fankatoavanà, no soratako ho anà. Haiky fô hagnano mihoatra noho izay angatahiky anà. 22Mandritra izegny fotoagna izegny foagna, omano ho anahy ny efitra fandraisam-bahiny, fô magnantegna zaho fô amin'ny alalan'ny vavakanà de haverigny aminà ndraiky zaho.23Epafra, namako mpiara-migadra akô amin'i Jesosy Kristy, magnano rasa vôlagna anà. 24Kara izegny koa i Marka, Aristarko, Demasy ndraiky Lioka, mpiara-miasa aminahy. 25Ho amin'ny fagnahinaré ané ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

Hebrews

Chapter 1

1Talôha ela be Andriamanitra de nivôlagna tamin'ny razambentsika tamin'ny alalan'iré mpaminany tamin'ny fotoagna maro sy tamin'ny fomba maro. 2Fô amin'izô andro farany zô, de nivôlagna tamintsika tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy Izy, zay notendreny ho mpandova ny raha jiaby. Tamin'ny alalany foagna koà no naharian'Andriamanitra zao tontôlo zao. 3Izy no famirapirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra, lay endriky ny tegnany indrindra. Na ny raha jiaby aza de hazomy hiaraka amin'ny alalan'ny herin'ny teniny. Tafaran'ny nagnadiovany iré fahotagna, de nipetraka také ambanin'ny tagnana ankavanagn'ny lehibe agny amin'ny avo izy.4Lasa ambôny karaha iré anjely Izy, satrià ny agnarana nolovany de tsara lavitra noho ny agnaranjaré rè. 5Fô zôvy tamin'irè anjely no mbô nivolagnan'Andriamanitra hoe: ''Zanako anà, tônga rainà Zaho niany'' ké ndray hoe: ''Ho ray ho ananjy Zaho, ké izy zanaka ho Anahy''?6Ary koà, kôfa nitondra ny lahimatoa takè aminjô tontôlo zao Andriamanitra, de nivôlagna Izy hoe: ''Iré anjelin'Andriamanitra jiaby de tsy maintsy midera Ananjy.'' 7Momba iré anjely de nivôlagna Izy hoe: ''Izy lay araiky nagnano iré anjeliny ho fanahy, ké iré mpanompony natôny lel'afo.''8Fô momban'ny Zanaka de ahozy Izy hoe: ''Ny sezy fiandriagnanà, ry Andriamanitra, de mandrakizay ké ho doria. Ny tehin'ny fanjakanà de tehin'ny fitsaragna. 9Nitia ny fahamarinagna anà ké nankahala ny fandikan-dalàgna. Noho izégny Andriamanitra, Andriamanitranà, de nagnosotra anà tamin'ny menaky ny hafaliagna mihoatra noho iré mpiara-dia aminà.10''Tagny am-piandohana, ry Tompo, Anà no namorogna ny fototry ny tany. Iré lagnitra de asan'ny tagnanà. 11Ho levona zaré ré, fô anà hanohy. Ho rovitra karaha ny tapa-damba zaré ré. 12Hamoritra ananjy ré karaha ny fitafiagna anà, ké hovaigna karaha ny poti-damba zaré ré. Fô anà de karaha izégny, ké ny taognanà de tsy hanam-pahataperagna.''13Fô zôvy tamin'iré anjely no nivolagnan'Andriamanitra tamin'ny fotoagna jiaby hoe: ''Mipitraha aké amin'ny tanagna ankavanako mandra-panaovako iré fahavalonà ho seza ho an'ny tongotranà''? 14Mô vô iré anjely jiaby tsy fanahy manompo, sy nalefa hiahy iré zay andova ny famonjegna?

Chapter 2

1Noho izégny atsika de tsy maintsy mitandrigna bebe kokoà amin'izay regnintsika, mbô tsy hagnara-drenirano amin'izégny atsika.2Fô raha marigna ny hafatra zay novolagnina tamin'ny alalan'iré anjely, ké ny fandikan-dalàgna jiaby ndraiky tsy fankatoavagna de mandray sazy ara-drariny, 3de akôry ké no hafahantsika mandositra kôfa tsy miraharaha izégny famonjegna maventy zay nambaran'ny Tompo voalôhany sy namafisin'iré zay naregny izégny tamintsika. 4Tamin'itô fotoagna itô foagna Andriamanitra de nagnaporofo izègny tamin'ny famantaragna, fahagagagna, ké asa mahery samihafa, ké tamin'ny fizaragna iré fagnomezam-pahasoavan'ny Fagnahy Masigna araka ny sitrapôny.5Fô tsy tamin'ny anjely no nampagniken'Andriamanitra zao tontôlo zao ho avy, momba zay volagnintsika. 6Fô kôfa, nisy ôlogno nijôro vavolombelogno an'izégny tagny ho agny, magnano hoe: ''Ino ny ôlogno, no misaigna ananjy anà? Na ny zanak'ôlogno, no mikarakara ananjy anà?7Anà de nagnano ny ôlogno ambany hely noho iré anjely; nosatrohinà satro-boninahitra tamin'ny voninahitra sy dera izy. [Fagnamarihagna: Ny dika-vôlagna sanany talôha de miampy hoe: ''Ké anà nametraka ananjy ambônin'iré asan'ny tagnanà.''] 8Ny raha jiaby de nampanikenà aké amban'ny tongony.'' Fô ho ananjy no nampaniken'Andriamanitra ny raha jiaby. Tsy namela na ino na ino izy ké tsy nampanikeny ananjy. Fô avaizo atsika de tsy mbôla mahita ny raha jiaby nampagnikena ananjy.9Fô atsika mahita lay araika zay natôny ambany noho iré anjely nandritry ny fotoagna fohy: Jesosy, zay, nohon'ny fijaliany ndraiky fahafatesany, de nosatrohina satro-boninahitra tamin'ny voninahitra sy dera. Ké avaizo tamin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nagnandramany ny fahafatesagna ho an'ny ôlogno jiaby. 10Fô mety amin'Andriamanitra izégny, satrià ny raha jiaby de misy ho Ananjy ké amin'ny alalany, mbô hitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra. Mety aminy ny hahatônga ny mpitarika ny famonjegna anjaré ré ho feno amin'ny alalan'ny fijaliany.11Fô na ny ôlogno zay magnamasigna na iré zay vômasina de managna lôharano araiky. Noho izégny de tsy megnatra miantso ananjy iré hoe rahalahy Izy. 12Ahozy Izy hoe: ''Hagnambara ny agnaranà amin'irè rahalahiky Zaho, hihira ny momba anà avy akô agnatin'ny fivondronagna Zaho.''13Ary koà, ''Hatoky ananjy zaho.'' Ary koà: ''Io, aketo zaho sy iré zanaka zay namian'Andriamanitra anahy.'' 14Noho izégny, satrià nofo aman-drà iré zanak'Andriamanitra, de nizara raha karaha izégny niaraka taminjare ré foagna koà Jesosy, mbô ho amin'ny alalan'ny fahafatesagna no hagnafoagnany ny araiky zay managna ny herin'ny fahafatesagna, de ny devoly izégny. 15Izégny de mbô hagnafahany iré jiaby zay nohon'ny tahotra ny fahafatesagna de niaigna ny fiainanjaré jiaby iré takô amin'ny fagnandevozagna.16Fô mazava ho ananjy fô tsy iré anjely no vonjeny; fô ndraiky, ny taranak'iAbrahama. 17Noho izégny de mendrika Ananjy atô karaha iré rahalahiny amin'ny fômba jiaby, mbô ho mpisorognabe feno famindram-pô sy fahatokisagna Ananjy amin'ny fifandraisagna amin'iré rahan'Andriamanitra, ké mbô hitôndra momban'ny famelagna iré fahotan'ny ôlogno. 18Satrià Jesosy tegnany no nijaly sy nalaigna fanahy, de afaka magnampy iré zay alaim-pagnahy Izy.

Chapter 3

1Noho izègny, ry rahalahy masina, nizara ny antson'ny lagnitra anaré. Saino ny momban'i Jesosy, ny apostoly sy mpisorognabe zay ekentsika. 2Izy de natoky an'Andriamanitra, zay nanendry ananjy, karaha an'i Mosesy zay nahatoky takô an-tragnon'Andriamanitra foagna koà. 3Fô Jesosy de efa noraisigna mendrika ny vôninahitra lehibe noho Mosesy, satrià zay magnorigna ny tragno no manan-kaja bebe kokoà noho lay tragno. 4Fô ny tragno jiaby de nisy ôlogno nanorigna, fô ny araiky zay nanorigna ny raha jiaby de Andriamanitra.5Amin'ny lafiny araiky, Mosesy de natokisagna karaha mpanompo takô an-tragnon'Andriamanitra araiky jiaby. Izy no vavôlombelogno momba iré raha zay tôkony efa nolazaigna amin'ny ho avy. 6Fô Kristy no Zanaka miandraikitra ny tragnon'Andriamanitra. Atsika no tragnony kôfa tô ké mihazogna mafy ny herim-po ndraiky fahatokiantsika atsika.7Noho izégny, izégny de karahan'ny volagnin'ny Fagnahy Masigna hoe: ''Niany, kôfa maharegny ny feony anaré 8de aza magnamafy ny fônaré karaha ny amin'ny fikomiagna, amin'ny fotoagnan'ny fitsapagna agny agn'efitra.9Karaha izégny ny razambenaré kôfa nikomy tamin'ny alalan'ny fitsapagna Anahy, kè kôfa, nandritry ny efapôlo taogna, de hitanjaré ré ny asako. 10Noho izégny de tsy faly Zaho amin'itô taranaka itô. 11Ahozy Zaho hoe: 'Zaré re de vôtarika mandrakariva agny amin'ny lalan-diso akô am-pony. Tsy nahafantatra ny lalako zaré ré. Karaha izégny no niaignako tamin'ny fahatizerako hoe: ''Tsy hiditra akô amin'ny fitsaharako sanany zaré ré.'''12Mitandrema, ry rahalahy, mbô tsy hisy na araiky aminaré aza no hanagna fô ratsin'ny tsy finoagna, fô zay miala amin'Andriamanitra velogno. 13Fô ndraiky, mifampahereza isan'andro, kôfa mbôla misy ny antsigna hoe: ''Niany'', mbô tsisy aminaré ho foaty fô amin'ny alalan'ny fitaky ny fahotagna.14Fô atsika de tônga mpiara-miasa amin'i Kristy kôfa takô ké mihazogna mafy ny fahatokisantsika Ananjy hatragny am-piandohagna ké hatragny amin'ny fiafaragna. 15Fô ny fômba izégny de efa vôlaza hoe: ''Niany, kôfa maharegny ny feony anaré, de aza magnamafy ny fonaré, karaha ny amin'ny fikomiagna.''16Zôvy izy zay efa naharé ann'Andriamanitra kè nikomy? Fô tsy iré jiaby zay nivoaka avy tagny Egypta tamin'ny alalan'i Mosesy vô izégny? 17Zôvy no nahavignitra ananjy nandritry ny efapôlo taogna? Tsy iré zay nanota vô, zay lavo tagny agn'efitra ny fatinjaré ré? 18Ho anjôvy no nianianany fô tsy hiditra akô amin'ny fitsaharagna zaré ré, kôfa tsy ho an'iré zay tsy nagneky Ananjy? 19Hitantsika fô tsy afaka niditra takô amin'ny fitsaharany zaré ré nohon'ny tsy finoagna.

Chapter 4

1Noho izégny, ôka hitandrigna tsara atsika mbô tsy hisy aminaré ny tsy afaka hahatratra ny vôlagna fampanantinagna navela ho anaré mbô hidiranaré akô amin'ny fitsaharan'Andriamanitra. 2Fô atsika de nagnambara ny vôvô mahafaly karaha ananjy iré. Fô izégny hafatra izégny de tsisy tombony ho an'iré zay tsy nitambatra takô amin'ny finoagna niaraka tamin'iré zay nagneky. (Fagnamarihagna: ny dika-vôlagna sanany de mivaky karanjô: ''Fô izégny hafatra izégny de tsy nisy tombony ho an'iré zay naharegny ananjy tamin'ny tsy finoagna.'')3Fô atsika zay nino de irè zay hiditra amin'izégny fitsaharagna izégny, araka zay efa novolagniny hoe: ''Karaha ny nianianako tamin'ny fahavignirako, de tsy hiditra velively akô amin'ny fitsaharako zaré ré.'' Fô na izégny koà aza, ny asa famoronany de vita tamin'ny fagnorenagna zao tontôlo zao. 4Fô izy nivôlagna tagny ho agny momban'ny andro faha-fito hoe: ''Andriamanitra nitsahatra tamin'ny andro faha-fito tamin'ny asany jiaby.'' 5Ké mbôla nivôlagna ndraiky izy hoe: ''Zaré ré de tsy hiditra velively akô amin'ny fitsaharako.''6Noho izégny, satrià mbôla vôtôkagna ho an'ny sanany ny fidiragna akô amin'ny fitsaharany, ké satrià maro iré Israelita naharé ny vôvô mahafaly tsy niditra takô nohon'ny tsy fankatoavagna, 7de nametraka andro araiky ndraiky nantsoigna hoe: ''Androany'' Andriamanitra. Taorian'ny andro maro, de nivôlagna tamin'ny alalan'i Davida Izy, karaha zay vôlaza mialôha hoe: ''Niany kôfa naharegny ny feony anaré, de aza magnamafy ny fônaré.''8Fô kôfa Josoa no nagnamia fitsaharagna ananjy iré, de tsy nivôlagna momban'ny andro araiky hafa Andriamanitra. 9Noho izégny de mbôla misy sabata fitsaharagna vôatôkagna ho an'ny vahôkan'Andriamanitra. 10Fô zay miditra akô amin'ny fitsaharan'Andriamanitra de nijanogna tamin'ny asany foagna kôa, karaha ny natôn'Andriamanitra tamin'Anjy. 11Noho izégny ôka atsika hazoto hiditra amin'izégny fitsaharagna izégny, mbô tsy hisy na araiky aza ho tafalatsaka amin'ny karazagna tsy fankatôavagna zay nataonjaré ré.12Fô ny zakan'Andriamanitra de velogna sy mandaitra ké maragnitra noho ny sabatra roy lela. Zégny de magnindrogna hatramin'ny fagnasarahagna ny aigna amin'ny fanahy, ndraiky tonogna amin'ny tsoka mihintsy aza. Ké afaka fantarigna ny eritreritry ny fô sy iré fiasagna. 13Tsisy famoronagna niafigna také agnatrehan'Andriamanitra. Fô ndraiky, ny raha jiaby de mihariary sy misôkatra aké imason'ilay araiky tsy maitsy hampamoahintsika.14Noho izégny, satrià atsika de managna mpisôrognabe maventy zay lasa namaky ny lagnitra, Jesosy Zanak'Andriamanitra, de andeha atsika hifikitra mafy amin'ny finoagnatsika. 15Fô atsika de tsy managna mpisôrognabe zay tsy mahatsapa fangorahagna amin'ny fahalimentsika. Fô kôfa, atsika de managna ôlogno araiky zay efa nalaim-pagnahy tamin'ny fômba jiaby karaha antsika, fô Izy tsisy atô. 16Oka ary atsika andeha amin'ny fahatokiagna ho agny amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavagna, mbô handraisantsika ny famindram-pô sy hahita fahasoavagna hagnampy amin'ny fotoagna ilàgna izégny.

Chapter 5

1Fô ny mpisôrognabe jiaby, vôfidy avy tamin'ny ôlogno, de notendregna mbô hiasa amin'ny agnaran'ny ôlogno amin'iré raha mahakasika an'Andriamanitra, ké mbô hanolôrany fagnomezagna sy fanatitra ho an'ny ota. 2Izy de afaka mifagnaraka mora amin'ny tsy mahalala ndraiky maniasia satrià izy tegnany foagna koà de vôdidin'ny fahalimiagna. 3Noho izégny, izy foagna koà de notakiagna hanôlotro sorogna ho an'iré otany manôkagna, karaha ny natôny ho an'iré otan'ny ôlogno.4Tsy ho an'ny tegnany no handraisan'ny ôlogno izégny voninahitra izégny. Fô ndraiky, izy de nantsoin'Andriamanitra, karaha an'i Arona. 5De karaha izégny, Kristy tsy mbô nagnamia haja ny tegnany mihintsy tamin'ny fanaovany ny tegnany ho mpisôrognabe. Fô ndraiky, lay araiky zay nivôlagna taminy nivôlagna hoe: ''Zanako anaré; niany de tônga Rainà Zaho.''6Karaha izégny foagna koà no nivolagnany tagny amin'ny toeran-kafa hoe: "Anà de mpisôrogna mandrakizay araka ny fômban'i Melkizedeka.''7Nandritr'iré andron'ny nôfony, Kristy nanôlotra vavaka sy fangatahagna niaraka tamin'ny hiaka mafy sy ranomaso an'Andriamanitra, lay araiky zay afaka mamonjy Ananjy amin'ny fahafatesagna. Ré Izy nohon'ny fangorahany. 8Na de zanaka aza Izy, de nianatra fankatoavagna tamin'iré raha zay niaretagna.9Natô ho tônga lafatra Izy ké tônga, ho an'ny ôlogno jiaby zay mankatô Ananjy, lay lôharanon'ny famonjegna mandrakizay. 10De notendren'Andriamanitra karaha ny mpisôrognabe Izy araka ny fômban'i Melkizedeka. 11Mana-kambara betsaka momban'i Jesosy zahay, fô sarotro ny magnazava izégny hatramin'ny naha-lalindalôvagna ny fandrenesanaré.12Fô amin'izô fotoagna zô de tôkony ho mpampianatra anarè, anaré de mbôla mila ôlogno hampianatra anaré iré fitsipika fototry ny hafatr'Andriamanitra. Ronono no ilanaré, fô tsy ventin-kanigna! 13Fô ny ôlogno zay misôtro ronono fotsiny de tsy ampy traikefa amin'ny hafatry ny fahamarinagna, satrià izy de mbôla zaza hely. 14Fô ny ventin-kanigna de ho an'iré lehibe. Iré de zay voahôfagna tamin'ny fanavahagna ny tsara amin'ny ratsy ny fahatakarany nohon'ny fahamatoranjaré ré.
Chapter 6

1Noho izégny, andeha havelantsika ny fiatombohan'ny hafatr'i Kristy ké handroso amin'ny fahamatoragna. Andeha atsika tsy hametraka ndraiky ny fôtotry ny fibebahagna nohon'ny asan'ny naty ndraiky finoagna an'Andriamanitra, 2na ny fôtotry ny fampianaragna momban'ny batisa, ny famitrahan-tanagna, ny fitsanganan'iré ôlogno naty, ké ny fitsaragna mandrakizay. 3Hagnano izégny foagna koà atsika kôfa avelan'Andriamanitra.4Fô tsy hay atô ho an'iré zay efa nohazavaigna ndraiky mandeha izégny, zay nanandragna ny fanomezagna avy agny an-dagnitra, zay nandray ny Fagnahy Masigna, 5ké zay nanandragna ny vôlagna tsaran'Andriamanitra sy iré herin'ny vanim-potoagna ho avy, 6saingy avaké de lavo—tsy hay atô ny mamerigna ananjy iré amin'ny fibebahagna ndraiky. Izégny de satrià nomboanjaré ré ho an'ny tagnanjaré ré ndraiky ny Zanak'Andriamanitra, ké nalainy baraka ampahibemaso.7Fô ny tany zay mitroka ny ôragna mateti-piavy amin'izégny, sy zay mamokatra iré raha-maniry ilain'iré ôlogno zay niasagna ny tagny—itô no tany zay mandray fitahiagna avy amin'Andriamanitra. 8Fô ndraiky mamokatra tsilo izégny, de tsisy ilàgna ananjy ké efa akaikin'ny fagnozonagna. Ny fiafaran'izégny de amin'ny firehetagna.9Fô zahay de resy lahatra ny amin'iré raha tsara kokoa momba anaré, ry malala, raha zay mahakasika ny famonjegna, na de mivôlagna karaha izégny aza zahay. 10Fô Andriamanitra de tsy mbô tsy marigna ké hagnadino ny asanaré ndraiky fitiavagna zay nasehonaré nohon'ny agnarany, satrià anaré de nanompo iré mpino ké mbôla manompo ananjy iré hatragny.11Magniry mafy zahay mbô haneho fahazotoagna karaha izégny hatramin'ny farany ny tsiraikaraiky aminaré ho an'ny antoky ny fahatokiagna feno. 12Izégny de mbô tsy ho lasa kamo anaré, fô ho mpaka-tahaka an'iré zay mandova iré fampanantinagna amin'ny finoagna sy faharetagna.13Fô tamin'Andriamanitra nagnano ny fampanantinagna tamin'iAbrahama, de nianiana tamin'ny Tegnany Izy, kôfa tsy afaka nianiana tamin'ny ôlogno maventy kokoà. 14Ahozy Izy hoe: ''Zaho de hitahy anà tokoà, ké tegna hahamaro anà.'' 15Tamin'izégny fômba izégny, de nahazo zay nampanantinaigna tafaran'ny niambesany tamim-paharetagna Abrahama.16Fô ny ôlogno de mianiana amin'ny ôlogno zay maventy kokoà noho ny tagnanjaré ré. Isakin'ny tapitra ny fifamalianjaré ré, de misy voady araiky natô ho fagnamasinagna. 17Kôfa nanapa-kevitra ny hampiseho mazava kokoà tamin'iré mpandovan'ny fampanantinagna ny tsy fiovan'ny kalitaon'ny tanjony Andriamanitra, de namiany antoka tamin'ny voady izégny. 18Natôny izégny mbô ho amin'ny alalan'ny raha tsy azo ovaigna aro — zay tsy hain'Andriamanitra ny mandainga amin'izégny—de hanagna fampahirezagna matanjaka mbô hihazogna mafy ny fahatokiagna zay napetraka také alôhantsika, atsika, zay nandositra mbô hanagna fialofagna.19Managna izégny toky izégny atsika ho aro sy vatofantsika azo hiankinagna ho an'ny fagnahintsika, fahatokiagna zay miditra akô amin'ny fitoeragna agnatiny akô ambadiky ny lamba. 20Jesosy niditra takô amin'izégny fitoeragna izégny karaha ny mpialôha lalagna ho antsika, ké tônga mpisôrognabé mandrakizay magnaraka ny fômban'i Melkizedeka.
Chapter 7

1Melkizedeka izégny, mpanjakan'i Salema, mpisôron'Andriamanitra Ambô indrindra, zay nifanena tamin'i Abrahama kôfa niverigna avy nandresy iré mpanjaka ké nitahy anajy. 2Izy no namian'i Abrahama ny ampahafôlon'ny raha jiaby. Ny agnarany hoe ''Melkizedeka'' de midika hoe ''mpanjakan'ny fahamarinagna.'' Ny agnarany hafa de ''mpanjakan'i Salema,'' Izègny de: ''mpanjakan'ny fiadanagna.'' 3Izy de tsy mana-baba, tsy manan-dreny, tsy managna razambe, ké tsy managna fiatombôhan'irè andro kè tsy managna fiafaran'ny fiainagna. Fô ndraiky, mitôvy amin'ny Zanak'Andriamanitra izy, satrià mitoetra ho mpisôrogno mandrakizay.4Zahavo ny hamaventin'itô lalahy itô. Ny razambentsika Abrahama de nagnamia ny ampahafôlon'iré raha zay azony tamin'ny ady. 5Amin'ny lafiny araiky, iré zanaka lahin'i Levy zay mandray ny fisorônagna de managna baiko avy amin'ny lalàgna mbô hanangogna ny ampahafôlon-karegna avy agny amin'iré ôlogno, izégny de, avy amin'iré rahalahinjaré ré, na izégny aza zaré ré, foagna koà, de avy amin'ny vatan'i Abrahama. 6Fô amin'ny lafiny araiky, Melkizedeka, zay tsy vôsoritra avy aminanjy iré ny taranany, de nandray ampahafôlon-karegna avy amin'i Abrahama, ké nagnamia tso-drano ananjy, lay araiky nanagna iré fampanantinagna.7Tsisy fandavagna fô ny ôlogno ambany indrindra de amian'ny ôlogno ambôny indrindra tso-drano. 8Amin'izégny tranga izégny, ny ôlogno mety naty de nandray ampahafôlon-karegna, fô amin'itô tranga itô de vôporofo fô mbôla velogno izy. 9Ké, amin'ny fômba fivôlagna, Levy, zay nandray ampahafôlon-karegna, de nagnefa ampahafôlon-karegna tamin'ny alalan'i Abrahama foagna koà, 10satrià Levy de takô agnatin'ny tegnan'ny razambeny kôfa nihaogna tamin'i Abrahama i Melkizedeka.11Avaizo kôfa azo atô amin'ny alalan'ny fisorôhagna levitika ny fahatanterahagna (fô takô ambanin'izégny ny ôlogno no nandray ny lalàgna), de filàgna bebe kokoà ino no mety nisy ho an'ny mpisôrogna hafa mbô hitsanganagna araka ny fômban'i Melkizedeka, ké tsy raisigna araka ny fômban'i Arona? 12Fô kôfa novàgna ny fisorônagna, de tsy maintsy hovàgna foagna ny lalàgna.13Fô lay araiky nivôlagna ny momban'iré raha iré de an'ny fôko hafa, zay tsisy ôlogno manômpo aké amin'ny alitara mihintsy. 14Fô mazava avaizo, fô avy amin'i Joda no nahatirahan'ny Tompontsika, fôko zay tsy novolagnin'i Mosesy mihintsy ny mahakasika iré mpisôrogno.15Zay volagnintsika de efa mazava kokoà kôfa misy mpisôrogno hafa mitsangagna amin'ny endrik'i Melkizedeka. 16Tsy avy tamin'ny fôtotry ny lalàgnan'ny taranaky ny nôfo no nahatônga ananjy ho mpisôrogna, fô ndraiky avy tamin'ny fôtotry ny herin'ny fiainagna tsy mety levogna. 17Fô ny Sôratra Masina de mijôro vavôlombelogno momba ananjy hoe: ''Anà de mpisôrogno mandrakizay araka ny fômban'i Melkizedeka.18Fô nisy fagnafoagnagna ny didy také alôha satrià namely sy tsisy dikany izégny. 19Fô tsisy raha natôn'ny lalàgna tônga lafatra. Kanefa, misy ny fampidiragna fahatokiagna tsara kokoà ho an'ny ho avy zay hanatonantsika an'Andriamanitra.20Tsy nitranga izégny kôfa tsisy ny fandraisagna fiainagna. Amin'ny lafiny araiky, iré hafa iré de tônga mpisôrogno tsy nila fiainagna. 21Fô amin'ny lafiny araiky hafa, itô araiky itô, Jesosy, de tônga mpisôrogno tamin'ny alalan'ny fiainagna natôn'ilay nivôlagna taminanjy hoe: ''Ny Tompo de nianiana ké tsy hiôva amin'ny heviny hoe: 'Anà de mpisôrogna mandrakizay.'''22Tamin'ny alalan'izégny foagna koà Jesosy no nagnamia antoka ny fagnekem-pihavanagna tsara kokoà. 23Amin'ny lafiny araiky, fontry no tônga mpisôrogno satrià ny fahafatesagna no manakagna ananjy irè hanohy. 24Amin'ny lafiny araiky hafa, satrià Jesosy mitoetra mandrakizay, de managna fisorônagna mandrakizay izy.25Noho izégny izy foagna koà de afaka mamonjy tanteraka iré zay magnatogna an'Andriamanitra amin'ny alalany, satrià izy de miaigna foagna mbô hagnelagnelagna ho ananjy iré. 26Fô ny mpisôrognabe karaha izègny de mety ho antsika. Izy de tsy manam-pahotagna, tsy manan-tsigny, madio, nosarahagna tamin'iré mpanota, ké tônga ambôny noho iré lagnitra.27Tsy mila izy, tsy karaha iré mpisôrognabe, hanolotra sôrogna isan'andro, ny voalôhany ho an'iré fahotagna manôkagna, ké avy aké ho an'iré fahotan'ny ôlogno. Efa nagnano izégny ndraiky mandeha ho an'ny jiaby izy, kôfa nanôlotra ny tegnany. 28Fô ny lalàgna manondro ny ôlogno zay managna fahalimegna ho mpisôrognabe. Fô ny koragnan'ny fiainagna, zay tônga tafaran'ny lalàgna, de nanendry Zanaka lahy, zay natô tônga lafatra mandrakizay.

Chapter 8

1Ké ny fôtotry ny raha volagninay de zao: Atsika de managna mpisôrognabe zay nipetraka také an-tagnan' ankavanagnan'ny seza fiandrianan'ilay be Vôninahitra agny an-dagnitra. 2Izy de mpanômpo akô amin'ny toeragna masina, lay tabernakely marigna zay ny Tompo, fô tsy ny ôlogno, no nagnorigna ananjy.3Fô ny mpisôrognabe jiaby de notendrena hanolotra fagnomezana sy sôrogna. Noho izégny de ilaigna ny managna raha ho atôlotra. 4Ary kôfa také an-tany Kristy, de tsy ho mpisôrogna akôry Izy, satrià misy iré zay manôlotra fagnomezagna araka ny lalàgna. 5Izy iré de manômpo akô amin'ny tabernakely zay tandindona sy aloky ny raha agny an-dagnitra. Izégny de karaha ny nampitandreman'Andriamanitra an'i Mosesy kôfa izy handeha hagnamboatra tabernakely: ahozy Andriamanitra hoe: ''Zahavo mbô ho atônà araka ny modely zay efa naseho anà tegny an-tendrombohitra ny raha jiaby.''6Fô avaizo Kristy de nandray asa fanompoagna tsara lavitra. Izégny de noho izy mpagnelagnelagna foagna koà amin'ny fagnekiagna tsara kokoà, zay mifôtotra amin'ny fampanantinagna tsara kokoà. 7Fô kôfa tsy nanan-tsigny izégny fagnikiagna vôlohany izégny, de tsisy nilagna fagnekegna faharoy.8Fô kôfa nahita tsigny tamin'ny ôlogno Andriamanitra, de ahozy Izy hoe: ''Io, ho avy ny andro—ahozy ny Tompo—kôfa hagnano fagnekegna vôvô amin'ny ôlon'Israely ndraiky ôlon'i Joda Zaho. 9De tsy ho karaha ny fagnekiagna zay natôko niaraka tamin'ny razanjaré ré tamin'ny andro zay nitondrako ananjy iré tamin'ny tagnany hiala avy tamin'ny tagny Egypta izégny. Fô zaré ré de tsy nitoetra takô amin'ny fagnekeko, kè Zaho tsy niraharaha ananjy iré—ahozy ny Tompo.10Fô zô no fagnikiagna zay ho hatôko amin'ny ôlon'Israely afaran'iregny andro iregny—ahozy ny Tompo. Hatôko akô an-tsainjaré rè ny lalàko, ké ho soratako akô am-pônjaré ré foagna koà izégny. Ho Andriamanitrizy iré Zaho, ké zaré ré ho ôloko.11Zaré ré de tsy hampianatra ny mpiara-monigna ké ny rahalahiny avy, hivôlagna hoe: 'Fantaro ny Tompo.' Fô hahafantatra Anahy ny jiaby, manomboka amin'ny hely indrindra ké hatramin'ny maventy indrindra aminjaré ré. 12Fô Zaho de hamindra fô amin'ny tsy fahamarignanjaré ré, ké tsy hahatsiaro iré fahotany intsony.''13Amin'ny fivolagnana hoe ''vôvô'' , de nagnano ny fagnikiagna vôlôhany izy, ké zay efa lany andro sy antitra de efa akaiky ho levogno.

Chapter 9

1Ké na de ny fagnekegna vôlohany aza de nanagna fitsipi-pivavahagna sy fitoeragna masina aketo an-tany. 2Fô nisy tabernakely zay nomanigna. Ny efitra vôlôhany, zay nisy ny fitoeran-jiro, ny latabatra, ké ny môfon'ny fagnatrehana, de nantsoigna hoe fitoeragna masina.3Akô ambadiky ny lamba faharoy de nisy efitra araiky hafa, antsoigna hoe toerana masina indrindra. 4Nisy alitara vôlamena ho an'ny ditin-kazo magnitra izegny. Nisy ny fiaran'ny fagnekegna foagna koà, zay rakotra vôlamena tanteraka. Takô agnatin'izégny de nisy siny vôlamena zay nisy ny mana, ny tehin'i Arona zay nagniry, ké iré vato fisaky ny fagnekegna. 5Egny ambônin'ny fiaran'ny fagnekegna, de kerobima be vôninahitra maro no magnakalo ny sarona fagnaronagna, zay tsy afaka volagninay amin'ny antsipirihany avaizo.6Kôfa vôhomagna iré raha iré, de niditra takô amin'ny efitra ivelan'ny tabernakely foagna iré mpisôrogna mbô hagnano ny fanompoanjaré ré. 7Fô ny mpisôrognabe foagna no niditra ndraiky mandeha isan-taogna takô amin'ny efitra faharoy, ké niaraka tamin'ny rà zay natôlony ho an'ny tegnany sy ho an'iré fahotagna tsy ninian'iré ôlogno.8Nasehon'ny Fanahy Masina fô ny lalagna makô amin'ny toeragna masigna indrindra de mbôla tsy naseho kôfa mbôla mitsangagna ny tabernakely vôlôhany. 9Izegny de fagnoharagna ho an'izô fotoagna avaizo zao. Irè fagnomezagna sy iré sorogna zay atôlotro avaizo de samy tsy afaka hahatanteraka ny fieritreretan'ny mpivavaka araiky. 10Mifantoka amin'ny hanigny sy raha fisôtro sy karazam-pômba fidiovagna fontry fotsiny iré. Iré jiaby iré de fitsipika ho an'ny nôfo avokoà zay namiagna mandra-pagnamboaragna ny fandaminagna vôvô.11Kristy de niavy karaha ny mpisôrognaben'iré raha tsara zay tônga. Nandéha tamin'ny alalan'ny tabernakely maventy kokoà sy tsara kokoà zay tsy nataon'ny tanan'ôlombelogna Izy. Zay tsy an'izô tontôlo voahary zao. [Fagnamarihagna: Irè dikan-teny sasany de mivaky karanjô: ''Jesosy de tônga karaha ny mpisôgnaben'iré raha tsara zay ho azy.''] 12Tsy tamin'ny ràn'iré osy lahy sy vatotr'ômby vavy izégny, fô tamin'ny ràny manôkagna zay niditry takô amin'ny toéragna masigna indrindra idraika mandehà foàgna ho an'ny jiaby ké niaro ny famonjentsika mandrakizay.13Fô kô ny ràn'irè osy sy irè ômby lahy ary ny famafazana ny lavenon'ny vantotr'ômby vavy aké amin'iré zay lasa maloto no manôkagna ananjy iré aké amin'Andriamanitra ho fanadiovana ny nofonjaré ré, 14karakôry ny ràn'i Kristy, zay nanolotra ny tégnany tsy misy kilema ho an'Andriamanitra taminy alalan'ny fanahy mandrakizay, hanadio ny fieritreretantsika hiala amin'ny asa maty mbô hanompoana lay Andriamanitra velogna? 15Noho izègny antony izègny, de Izy no mpanalalagna ny fanikegna vaovao. Izégny de, satrià nisy fahafatesagna ndraika niseho mbô hanafaka iré zay amban'ny fanikegna vôlohagny amin'ny fahotanjaré ré, de handray ny fampagnatignan'ny lova mandrakizay iré zay vôantso.16Fô kôfa misy didim-pananagna, ny fahafatesan'ilay ôlogno zay nagnano izégny de tsy maintsy vôporofo. 17Fô kôfa misy fahafatesagna foagna vô manan-kery ny didim-pananagna, satrià tsy manan-kery izégny izy koà ké mbôla velogno lay ôlogno zay nanagna izégny.18Koà na de ny fagnikiagna vôlohany aza tsy natô kôfa tsisy rà. 19Fô kôfa nagnamia ny didy jiaby takô amin'ny lalàgna tamin'iré ôlogno jiaby Mosesy, de nalaka ny ràn'iré ômby sy iré ôsy, niaraka tamin'ny rano, volon'ôndry jaky mena, sy hysopa izy, ké namafy také amin'ny boky ndraiky ôlogno jiaby. 20Ké izy nivôlagna hoe: ''Itô no ràn'ny fagnikiagna zay nandidian'Andriamanitra ho anaré.''21Karaha izény koà, de namafy ny rà také amin'ny tabernakely sy iré fitoeran-jaha jiaby hampiasaigna amin'ny fanompoagna izy. 22Araka ny lalàgna, de saika ny raha jiaby no vôdio tamin'ny rà. Kôfa tsisy fandatsahan-drà de tsisy famelan-keloko.23Noho izégny de nilaigna ny tandindon'iré raha agny an-dagnitra mbô ho vôdion'ny soron'iré biby iré. Na izègny aza, iré raha ny lagnitra mihintsy no nila nodiovigna tamin'ny sorogna tsara kokoà. 24Fô Kristy de tsy niditra takô amin'ny toeragna masina indrindra zay natôn'ny tanagna, zay tandindin'ilay araiky zay tegna izy foagna. Fô ndraiky niditra tagny an-dagnitra mihintsy Izy, mbô hiseho aké amin'ny fagnatrehan'Andriamanitra ho antsika avaizo.25Tsy nandeha takô mbô hanolotra ny tegnany imbetsaka Izy, kaha ny fanaon'ny mpisôrognabe, zay miditry akô amin'ny toeragna masigna indrindra isan-tôgno niaraka tamin'ny ràn'ny hafa. 26Fô kô izégny ny raha-nitranga, de saika nijaly imbetsaka nanômboka tamin'ny fagnorenagna zao tôntolo zao Izy. Fô avaizo de indraika mandeha monjo no nampiseho Ananjy mbô hangala ny fahotagna amin'ny alalan'ny sôron'ny tegnany foagna.27Efa natô ho foaty ndraiky mandeha ny ôlo-jiaby, ké afaran'izégny no ho avy ny fitsaharagna. 28Karaha izégny foagna koà, Kristy, zay natôlotra ndraiky mandeha mbô hagnala iré fahotan'ny maro, de hiseho fagnindroiny, tsy handraraha ny ôta, fô ho an'ny famonjegna iré zay miandry Ananjy amim-paharetagna.
Chapter 10

1Fô ny lalàgna de alok'iré raha tsara ho avy fotsiny, fô tsy tegna endrik'iré raha iré. Iré zay magnantogna an'Andriamanitra de tsy afaka ny ho lafatra amin'ny alalan'ny sôrogna mitôvy amiin'izay indosin'iré mpisôrogna isan-taogna. 2Kôfa izégny tsy efa nitsahatra ny nanôlotra iregny sôrogna iregny vô zaré ré? Amin'izégny tranga izégny, kôfa efa nodiovigna ndraiky mandeha monja zaré ré, de tsy mbô hahafantatra ny ota sanany irè mpivavaka. 3Fô amin'iré sôrogna iré de misy fampatsiahivagna iré ota asan-taogna.4 Satrià ny ràn'ny omby lahy sy osy lahy de tsy mahavita magnala iré ota.5Kôfa tônga taketo amin'izô tontôlo zao Kristy, de nivôlagna Izy hoe: ''Tsy sôrogna na koà fagnatitra no nirinaré. Fô kôfa, vatagna zay efa nomaninaré ho Anahy. 6Ny fagnatitra nodoragna na sôrogna ho an'ny ota de tsy nifalianaré. 7Ary ahozy Zaho hoe: ''Zahavo, intô Zaho, araka zay vôsoratra momba Anahy akô amin'ny Sôratra Masina, mbô hagnano ny sitrakaré.''8Vôlôhany nivôlagna izy hoe: ''Tsy sôrogna, na koà fagnatitra, na fagnatitra nodoragna, na sôrogna ho an'ny ota no nirinaré. Kè anaré tsy nifaly takô aminjaré iregny.'' Iregny de sôrogna zay atôlotra araka ny lalàgna. 9Ké nivôlagna izy hoe: ''Zahavo, intô Zaho hagnano ny sitrakaré.'' Izy de nagnala ny fampiharagna vôlôhany mbô hamitrahagna ny fampiharagna faharoy. 10Tamin'izégny sitraka izégny, atsika de nohamasinigna tamin'ny alalan'ny fagnatitry ny vatan'i Jesosy Kristy ndraiky mandeha monja.11Amin'ny lafiny araiky, ny mpisôrogna jiaby de mijoro isan'andro manômpo an'Andriamanitra. Izy de manôlotra sôrogna mitôvy hatragny, na izégny aza izy iré de tsy afaka magnala iré ota mihintsy. 12Amin'ny lafiny araiky hafa, Kristy de nanôlotra sôrogna araiky ho an'ny ota mandrakizay, nipetraka také an-tagnana ankavanagnan'Andriamanitra Izy. 13Izy de miandry mandra-panaovagna iré fahavalony ho fitoeran-tôngotra ho an'ny tôngony. 14Fô tamin'ny fagnatitra araiky izy de nahalavorary mandrakizay iré zay nohamasinigna.15Ny Fanahy Masina koà de mijoro vavôlombelogna ho antsika. Fô tamin'ny vôlôhany Izy nivôlagna hoe: 16''Itô no fagnekiagna zay ho atôko miaraka aminjaré ré afaran'iré andro iré, ahozy ny Tompo. Hapetrako akô am-pônjaré rè ny lalàko, ké hanoratako izégny akô an-tsainjaré ré Zaho.17Tsy hahatsiaro ny ota sy iré helok'izy iré intsony Zaho.'' 18Kè na eza misy famelagna izégny, de tsisy sôrogna ho an'ny ota intsony.19Noho izègny, ry rahalahy, atsika de managna fahatokiagna ny hiditra akô amin'ny toeragna masina indrindra tamin'ny ràn'i Jesosy. 20Izégny no lalagna vôvô sady velogna zay nosokafany ho antsika tamin'ny alalan'ny lamba, izégny hoe, tamin'ny alalan'ny lamba, izégny hoe, tamin'ny alalan'ny nôfony. 21Satrià atsika de managna mpisôrogna maventy mitandrigna ny tragnon'Andriamanitra, 22ôka atsika hagnatogna amin'ny fô madio amin'ny finoagna feno fahatokiagna, mbô hanagnantsika fô vôdio amin'ny fieritreretagna ratsy ké hanagnantsika vatagna vôdio taminy rano madio.23Oka atsika hiazogna mafy ny fagnekiagna ny fiandrandragna mahatokintsika, tsy am-pihozongozognana, satrià Andriamanitra, zay nampanantegna, de mahatoky. 24Oka atsika handiniky ny momba handrisihagna ny tsiraikaraiky amin'ny fitiavagna sy iré asa tsara. 25Oka atsika tsy hagnajanogna ny fiarahagna miangogna, karaha ny natôn'ny sanany. Fô ndraiky, mifankahereza hatragny hatragny, ary maika fô hitanaré fô manakaiky ny andro.26Fô kôfa tô atsika minia manota rehefa avy nandray ny fahalalagna ny marigna, de tsisy fagnatitra ho an'ny ota intsony. 27Fô ndraiky, tôkagna foagna ny fiandrasagna mahatahotry ny fitsaragna, ké fahatizeragna mirehitra zay hamotika iré fahavalon'Andriamanitra.28Na zôvy na zôvy nandà ny lalàn'i Mosesy de ho foaty tsisy indrafô amin'ny fijoroagna vavôlombelon'iré roy na telo zay nagnatri-maso. 29Fagnasaziagna ratsy lavitra karaha ny akôry no aritreretinaré fô mendrika iré zay nagnitsaka ny Zanak'Andriamanitra, zay nagnano ny ràn'ny fifagnikiagna ho tsy masina—Lay rà zay nagnamasigna Ananjy—ké nagniratsira ny Fanahin'ny fahasoavagna?30Fô atsika mahafantatra lay araiky zay nivôlagna hoe: ''Anahy ny valifaty; Zaho no hamaly.'' Ary koà: ''Ny Tompo de hitsara ny ôlony.'' 31Raha mampitahotra no hilatsaka aké an-tagnan'Andriamanitra velogno!32Fô tadidio iré andro talôha, kôfa nohazavaigna anaré, ny fômba niharetanaré ny ady mafy tamin'ny fijaliagna. 33Anaré de nalaigna baraka ampahibemaso tamin'ny fagnaratsiagna sy tamin'ny fagnenjehagna, ké anaré de niaraka nizara tamin'iré zay nandalo fijaliagna karaha izégny. 34Satrià anaré de nanagna fangoraham-pô tamin'iré zay vôfonja, ké anaré de nanaiky tamin-pifaliagna ny fangalàgna ny fanagnanaré. De nahafantatra anaré fô ny tegnanaré de managna fanagnana tsara kokoà sy maharitra mandrakizay. [Fagnamarihagna: Ny dika-vôlagna talôha de tsy hahitagna ny fehezanteny hoe: ''Fô anaré de nanagna fangoraham-pô tamin'ny gadrako.'']35Noho izégny de aza ariagna ny fahatokianaré, zay managna valisoa maventy. 36Fô anaré de mila faharetagna, mbô hahazoanaré zay nampanatinain'Anndriamanitra, kôfa nagnano ny sitrapony anaré. 37Fô tsy ho ela akory, lay araiky zay ho avy de ho avy tokoà ary tsy ho tara.38Ny ôloko marigna de hivelogna amin'ny finoagna. Kôfa mihemotra izy, Zaho de tsy ho faly aminy.'' 39Fô atsika de tsy agnisan'iré zay mihemotra ho amin'ny faharavagna. Fô ndraiky, atsika de agnisan'iré zay managna finoagna ho amin'ny fihazonagna ny fagnahintsika.
Chapter 11

1Ké ny finoagna no antoka amin'iré raha nandrasagna tamim-pahatokiagna. Itô no porôfon'iré raha-mitranga zay mbôla tsy hita. 2Fô noho izégny iré razambe de nankatoavigna nohon'ny finoanjarè ré. 3Amin'ny finoagna no hahafantarantsika fô ny didin'Andriamanitra no namoronagna zao tontôlo zao, ké zay hita maso de tsy natô tamin'ny raha zay hita maso.4Tamin'ny finoagna no nagnolôran'iAbela fagnatitra tsara kokoà ho an'Andriamanitra noho ny an'i Kaina, tamin'ny alalan'izégny no nagnambarany ananjy ho marigna, ké Andriamanitra nivôlagna tsara ananjy noho iré fagnatiny, ké amin'ny finoagna no mbôla hivolagnan'i Abela, na de efa naty aza izy.5Tamin'ny finoagna no namindragna an'i Enoka mbô tsy ahitany ny fahafatesagna. ''Tsy hita izy, satrià nalain'Andriamanitra.'' Fô talôhan'ny nakagna ananjy, de nijoroagna vavôlombelogna fô nankasitrahan'Andriamanitra izy. 6Ké kôfa tsisy finoagna de tsy mety ho ankasitrahany. Satrià ilaigna hoe zay magnatogna an'Andriamanitra de tsy maintsy mino fô misy Izy ké Izy no mamaly soa an'iré zay mitady Ananjy.7Tamin'ny finoagna Noa, no namiagna ny hafatra avy amin'Andriamanitra momba iré raha zay tsy mbôla hita, niaraka tamin'ny fagnajagna an'Andriamanitra no nagnamboarany ny sambo zay namonjeny ny ankohonany. Fô tamin'ny fanaovagna izégny, no nagnamelohany zao tontôlo zao sy nahatôngavany ho mpandôva ny fahamarignana araky ny finoagna.8Tamin'ny finoagna Abrahama, kôfa nantsoigna, no nankatoa sy nandeha nankagny amin'ilay toeragna zay hahazoany ho lôva. Nandeha izy, tsy nahalala zay tany nombany. 9Tamin'ny finoagna no niaignany tagny amin'ilay tany nampanantinaigna karaha ny vahiny. Niaigna takô agnaty tragno lay izy niaraka tamin'Isaka sy Jakoba, iré mpiara-mandova amin'ilay fampanantinaigna mitôvy. 10Fô izy nitady lay tanàgna zay managna irè fagnorenagna, lay tanàgna zay Andriamanitra no mpamari-tragno sy mpagnori-tragno.11Tamin'ny finoagna, na de Saraha izy tegnany zay momba aza, no nahazoan'i Abrahama ny fahafahagna ho araiky. Nitranga izégny na de efa tegna antitra aza izy, satrià noheverigna ho karaha lay mahatoky namiagna lay fampanantenagna izy. [Fagnamarihagna: Misy fagnontaniagna momban'ny hoe ny finoan'i Abrahama sa ny finoan'i Saraha no navohitra. ''Tamin'ny finoan'i Saraha, na de efa antitra aza izy, no nahazoany ny hery hanan'anaka, na de efa tegna antitra aza izy hitôndra zaza, satrià nihevitra lay nagnamia lay fampanantenagna ananjy ho mahatoky.''] 12Noho izégny, avy amin'izégny lalahy izégny, zay efa ho foaty, no nahatirahan'iré zay karaha iré kintagna egny an-dagnitra ny hamaroàny sy karaha ny fasika magnamorogna ny ranomasigna, zay tsy voaisa.13Tô amin'ny finoagna iregny jiaby iregny no naty tsy nandray iré fampanantinagna. Fô ndraiky, tafaran'ny nahitagna sy niarahabagna ananjy iré avy egny alavitra, de nagneky izy iré fô vahiny sy sesi-tany aketo an-tany. 14Ho an'iré zay mivôlagna karaha izégny raha izégny de magnazava fô mitady tanindrazagna zaré iré.15Kô niheritreritra ny firenegna zay nialagny zaré ré, de mety nanagna fahafahagna hierigna. 16Fô kaha izégny, nagniry firenegna tsaratsara kokoà zaré iré, ké izégny, lay agny an-dagnitra. Noho izégny tsy mahamegnatra an'Andriamanitra ny vôaantso hoe Andriamanitra-jaré ré, ké nagnomagna tanàgna ho ananjy Izy.17Tamin'ny finoagna Abrahama, kôfa notsapaigna, de nanolotra an'Isaka. Itô no zanany lahy tôkagna zay natôlony, izy lay nahazo iré fampanantinagna. 18Tamin'i Abrahama no nivolagnany hoe: ''Amin'ny alalan'Isaka no hanondroagna iré taranakanà.'' 19Abrahama de nihevitra fô Andriamanitra de hahavita hanangagna an'Isaka amin'iré naty, ké amin'ny heviny amin'ny ohatra, avy taminjaré ré no hahazoany ananjy ndraiky.20Tamin'ny finoagna momban'iré raha ho avy koà no nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao. 21Tamin'ny finoagna Jakoba, taminanjy efa ho foaty, no nitso-drano iré zanak'i Josefa tsiraikiraiky avy. Nivavaka Jakoba, nitehagna tamin'ny lôhan'ny tehigny. 22Tamin'ny finoagna Josefa, kôfa nageky ny fiafarany, no nivolagna ny fiaingan'ny zanak'Israely avy agny Egypta ké nagnafarany ny amin'ny taôlany.23Tamin'ny finoagna Mosesy, kôfa teraka izy, de nafenin'iré ray aman-dreniny nandritry ny telo vôlagna satrià hitanjaré ré fô zaza tsara izy. Tsy natahotra ny didin'ny mpanjaka zaré ré. 24Tamin'ny finoagna Mosesy, tafaran'ny napaventy ananjy, no nandà ny hiantsoagna ananjy ho zanaka lahin'ny zanaka viavin'i Farao. 25Fô ndraiky, nisafidy ny hijaly niaraka tamin'ny vahôkan'Andriamanitra izy, karaha zay hankafy iré fahafinaretan'ny fahotagna mandritry ny fotoagna fohy. 26Nivôlagna izy hoe ny fahafaham-baraka amin'ny fagnarahagna an'i Kristy de haregna be noho iré haren'i Egypta. Satrià nampifantoka iré masony tamin'ny valisoany izy.27Tamin'ny finoagna no nialan'i Mosesy tagny Egypta. Tsy natahotra ny fahatizeran'ny mpanjaka izy, fô niaritra izégny karaha ny nahitany lay tsy hita maso. 28Tamin'ny finoagna no nitandremany ny Paska ndraiky famafazagna ny rà, mbô tsy hikasika ny zanaka lahimatoan'iré Israelita ny mpandringana ny zanaka lahimatoa.29Tamin'ny finoagna no niampitanjarè ré ny Ranomasigna Mena karaha ny mandia tany maigna. Kôfa nanandragna nagnano izégny iré Egyptiana, de vôteligna zaré ré. 30Tamin'ny finoagna no nirodagnan'ny mandan'i Jeriko, kôfa avy nihodidigna nandritry ny fito andro zaré ré. 31Tamin'ny finoagna no tsy nafaty an'i Rahaba lay mpivarotegna niaraka tamin'iré mpagniasia, satrià nandray iré mpisafo tany tamin'ny fiadanagna izy.32Ino foagna koà no afaka volagniko? Fô ho lany ny fotoàko kôfa mivôlagna momban'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, ké momban'iré mpaminany zaho. 33Tamin'ny alalan'ny finoagna no nahazoanjaré ré ny fanjakagna, niasa ara-drariny, ké nandray iré fampanantinagna. Nagnakombogna ny vavan'iré liona zaré ré, 34namono ny herin'ny afo, nandositra ny lelan'ny sabatra, sitragna tamin'iré aretigna, lasa nahery agn'ady, ké nandresy iré tafika vahiny.35Nitsangagna tamin'ny maty tamin'ny fagnanganan-ko velogna iré viavy. iré hafa de nampijaliagna, tamin'ny tsy fagnekegna ny famotsoragna mbô hahazoanjaré ré fitsanganagna tsara kokoà. 36Ny hafa de notsapaigna tamin'ny fagnesoagna sy iré fikapohagna, egny fô na de ny fatotra ndraiky fagnagadragna aza. 37Notoraham-bato zaré ré. Notsofaigna hizara roy zaré ré. Novonoigna tamin'ny sabatra zaré ré. Nirenireny tamin'ny hoditr'ondry sy hoditr'osy zaré ré. Nahantra zarè ré, nampihorohoroagna, nampahoriagna. [Fagnamarihagna: ny dika-vôlagna sanany talôha de mivaky hoe: ''Notoraham-bato zaré ré. Notsofaigna hizara roy. Nampandalovigna fitsapagna. Novonoigna tamin'ny sabatra.''] 38Zao tontôlo zao de tsy mendrika ananjy irè. Nirenireny tagny agn'efitra, tagny amin'iré tendrombohitra, tagny amin'iré lava-bato, ké tagny amin'iré lavaka ambanin'ny tany zaré iré.39Kanefa iregny ôlogno jiaby iregny de niken'Andriamanitra nohon'ny finoanjaré ré, tsy nandray ny fampanantenagna zarè ré. 40Nagnomagna raha tsara kokoà ho antsika Andriamanitra, mbô tsy ho lavorary zaré ré, kôfa tsisy antsika.
Chapter 12

1Noho izégny, satrià atsika vôadidigna vavolombelogna maro be karaha ny rahogna, de andeha atsika hamela ny vesatra jiaby ndraiky fahotagna mora magnodidigna antsika. 2Andeha atsika hihazakazaka am-paharetagna ny fihazakazahagna zay napetraka také alôhantsika. Andeha atsika hitandrigna amin'i Jesosy, ny mpampiatomboka sy mpanantateraka ny finoagna. Fô nohon'ny hafaligna zay napetraka také agnoloany, de niaritra ny kakazofijaliagna Izy, tsy niraharaha ny hegnatr'izégny, ké nipetraka také an-tagnana ankavanagnan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. 3Noho izègny eritrereto ny momba Ananjy, lay araiky zay niaritra fagnoheragna karaha izégny avy tamin'iré mpanota hanohitra ny tegnany, mbô tsy ho reraka akô am-pônaré anaré ké hilavo lefogna.4Tsy mbôla nanohitra anaré na nikezaka hagnohitra ny fahotagna hatramin'ny fahalatsahan-drà, 5ké tsy tsaronaré ny fampahirezagna zay nampianarigna anaré karaha ny amin'iré zanaka hoe: ''Ry zanako lahy, aza magnamaivagna ny fitsipiky ny Tompo, na mihareraka kôfa ahitsiny anaré.'' 6Fô ny Tompo magnafay ny jiaby zay tiany, ké Izy magnasazy ny zanaka tsirakiraiky zay raisiny.7Miareta fijaliagna karaha ny fitsipika. Andriamanitra de mitondra anaré karaha ny zanaka. Fô zanaka ino no také ké tsy nofaizin'ny babany? 8Fô kôfa tsy managna fitsipika anaré, zay anagnan'ny ôlogno jiaby, de zazasary anaré fô tsy zanany.9Ary koà, nanagna ny ray ara-nofo karaha ny mpanafay atsika, ké nagnaja ananjy iré atsika. Tsy tôkony hankato kokoà ny Rain'ny fanahy vô atsika ké ho velogno? 10Fô etsy andaniny, iré raintsika nanafay antsika nandritry ny andro vitsy araka izay marigna taminanjy iré. 11Nefa aké ankilany, Andriamanitra nagnano izégny ho an'izay tsara ho antsika mbô hafahantsika managna anjara amin'ny fahamasignany. Tsisy famaizagna mitranga ho mahafinaritra, fô manaintaigna aza. Kanefa izégny afarany hely de mamôkatra ny vokatra feno fiadagnan'ny fahamarinagna ho an'iré zay nozarigna tamin'izégny.12Noho izègny hatanjaho iré tagnanaré zay miraviravy sy iré lohalikaré malemy. 13Manaova lalana mahitsy ho an'ny tongotraré, mbô zay malemy de tsy hipitsoka fô ho sitragna aza.14Magnenjeha fiadagnagna miaraka amin'ny ôlogno jiaby, ké ny fahamasinagna foagna koà zay tsy hahitan-jôvy na zôvy ny Tompo kôfa tsy miaraka amin'izégny. 15Mitandrema mbô tsisy na zôvy na zôvy tsy hanagna ny fahasoavan'Andriamanitra, ké tsisy fakan'ny fahanginagna mitômbo hiteraka korontagna, mbô tsy ho maro no lasa voaloto amin'izégny. 16Mitandrema mbô tsisy fijangajangagna na ôlogno tsy an'Andriamanitra takô an'i Esao, zay nivarotra ny fizokiany ho an'ny hanigna araiky. 17Fô anaré mahafantatra fô kôfa afaka izégny, kôfa nagniry ny handova ny fitahiagna izy, de nolavigna, satrià ts nahita irika amin'ny fibebahagna izy, na de nikatsaka izégny tamin-dranomaso aza.18Fô anaré tsy tônga také amin'ny tendrombohitra zay tsy azo kasihigna, tendrombohitra ny afo mandoro, haizigna, fahamaizinagna, ké tafiotra. 19Anaré de tsy tônga také amin'ny trompetra magneno mafy, na také amin'ny feo zay mivôlagna iré vôlagna zay ny mpihaino izégny de nangataka mbô tsisy vôlagna hafa ho volagniny aminjaré ré. 20Fô zaré ré tsy afaka niaritra zay nodidiagna hoe: ''Fô na de ny biby mikasika ny tendrombohitra aza, de tsy maintsy ho toraham-bato izégny.'' [Fagnamarihagna: Iré dika-vôlagna sanany talôha de mivaky karanjô: ''''Fô na de biby araiky zay mikasika ny tendrombohitra aza, de tsy maintsy ho toraham-bato izégny na ho vonigna amin'ny zana-tsipika.''''] 21Fô mampitahota lôtra lay fahitagna zay novolagnin'i Mosesy hoe: ''Mihorohoro zaho ké mangovitra''22Fô anaré ndraiky, de tônga také amin'ny tendrombohitra Ziona ké také amin'ny tanàgnan'Andriamanitra velogno, ny Jerosalema agny an-dagnitra, ké také amin'iré anjely agn'align'aligna tamin'ny fankalazagna. 23Anaré de tônga také amin'ny antôkon'ôlon'ny vôlôhan-teraka, zay voasôratra agnaragna agny an-dagnitra. Anaré de tônga také amin'Andriamanitra, lay Mpitsara ny jiaby, ké také amin'iré fagnahin'iré ôlon'ny fahamarinagna zay natô tônga lafatra. 24Anaré de tônga také amin'i Jesosy, lay mpagnalalagna ny fagnekegna vôvô, ké také amin'ny rà latsaka zay tsara kokoà noho ny ràn'i Abela.25Ôka anaré tsy handà lay araiky zay mivôlagna. Fô ndraiky tsy nandositra zaré ré taminjarè ré nandà ny araiky zay nampitandrigna ananjy iré taketo an-tany, de hely kokoà no handosirantsika ndraiky mihodigna amin'ilay araiky zay mampitandrigna antsika avy agny an-dagnitra atsika. 26Tamin'ny fotoagna araiky, ny feony nagnozongozogna ny tany. Fô avaizo Izy nampagnategna sy nivôlagna hoe: '' Mbôla hagnozongozogna indraiky mandeha tsy ny tany foagna zaho, fô ny lagnitra foagna koà.''27Iré vôlagna iré, ''Indraiky mandeha koà'', de midika ny famindragna iré raha zay afaka hozongozognina, izégny de, iré raha zay nohariagna, mbô hipetraka iré raha zay tsy azo hozongozognina. 28Noho izégny, satrià mandray fanjakagna zay tsy azo hozongozognina, de ôka ho mpankasitraka atsika ké amin'izégny fômba izégny de hidera an'Andriamanitra am-pagnajagna loatra sy amin-tahotra. 29Fô ny Andriamanintsika de afo mandevogna.

Chapter 13

1Ôka hitohy ny fitiavagna ara-pirahalahiagna. 2Aza magnadigno ny fampiantranoagna iré vahiny. Fô tamin'ny alalan'izégny, no nanehoan'ny sanany fampiantranoagna iré anjely nefa fantany izégny.3Tsarovy iré vôfonja, karaha ny hoe niara-nifatotra taminjaré ré anaré. Tsarovy iré zay nampahoriagna, karaha ny hoe zaré ré foagna koà anaré amin'ny vatagna. 4Ôka ho hajain'ny tsiraikaraiky ny fanambadiagna. Ôka ny fandrian'ny fanambadiagna mbô hadio, fô Andriamanitra de hitsara iré mpangala-badin'ôlogno sy iré mpijangajanga.5Avelà ny fitondran-tegnanaré ho afaka amin'ny fitiavam-bôla. Mifalia amin'iré raha zay hanagnanaré, satrià Andriamanitra tegnany de nivôlagna hoe: ''Zaho de tsy handao anaré mihitsy, na hahafoy anaré akory.'' 6Aleo atsika ho faly mbô ho sahy hivôlagna hoe: ''Ny Tompo no Mpamonjiko; ké tsy hatahotra zaho. Ino no azon'ny ôlogno atô aminahy?''7Hevero iré mpitarika agnaragna, iré zay nivolagna ny Tenin'Andriamanitra taminaré, ké hevero ny vokatrin'ny fihetsinjaré ré. Alay karaha ny finoanjarè ré. 8Jesosy Kristy de tsy miôva omaly, sy niany, ké mandrakizay.9Aza manaiky taomigna amin'iré karazagna fampianaragna hafahafa. Fô tsara kôfa tôkony hamafisigna amin'ny fahasoavagna ny fô, fô tsy amin'ny hanigna zay tsy magnampy iré zay mandeha miaraka aminjaré ré. 10Atsika de managna alitara zay tsy anagnan'iré zay manômpo ny tabernakely fahefagna hihinagna. 11Fô ny ràn'iré biby novonigna atô fagnatitra ho an'ny ota de nindôsin'ny mpisôrognabe takô amin'ny toeragna masina, nandritr'izégny ny vatanjaré ré de nodoragna tagny ivelan'ny toby.12Noho izégny Jesosy foagna koà de nijaly tagny ivelan'ny vavahadin'ny tanàgna, mbô hagnamasigna iré vahoaka amin'ny alalan'ny ràny manôkagna. 13Andeha atsika noho izégny ho agny Aminanjy agny ivelan'ny toby, hitôndra ny fahafam-barakany. 14Fô tsy managna tanàgna maharitra atsika atô. Fô ndraiky, miandry lay araiky zay ho avy atsika.15Amin'ny alalany, ké, de andao atsika hagnolotra iré fagnati-pideragna ho an'Andriamanitra hatragny, fideragna vokatry ny molotra zay manaiky ny agnarany. 16Aleo tsy adinointsika ny magnano ny tsara ny magnampy ny tsiraikaraiky avy, Fô amin'ny fagnatitra karaha izégny no tegna mahafaly an'Andriamanitra. 17Mankatoava sy magneky iré mpitarika anarè, fô zaré ré no miahy ny fagnahinaré, karaha irè zay hagnano tatitra. Mankatoava mbô hagnano izégny am-pifaliagna iré mpitôndra anaré, fô tsy am-pisentoagna, zay lasa tsisy dikany ho anaré.18Mivavaha ho anay, fô zahay de nino fô managna feon'ny fieritreretagna madio ké magniry hiaigna am-pahamarinagna ny raha jiaby. 19Manosika anaré bebe kokoà aza zaho mbô hanagna izégny, ké mbô hiverigna faingagna aminaré zaho.20Ary lay Andriamanitry ny fiadanagna, zay nanangagna tamin'ny maty lay mpiandry ondry maventy, ny Tompontsika Jesosy, tamin'ny alalan'ny ràn'ny fagnekegna mandrakizay, 21de hagnatsara anaré amin'ny asa tsara jiaby mbô hanaovagna ny sitrapôny. Izy anie hiasa akô agnatintsika zay tegna ankasitrahagna aké agnatrehany, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, zay hamiagna ny voninahitra mandrakizay. Amena.22Ké mankahery anaré zaho, ry rahalahiky, mbô hizaka ny tenin'ny fampahirezagna zay nosoratako fohy ho anaré. 23Fantaro fô efa nafahagna Timoty rahalahintsika, zay hiaraka aminahy hizaha anaré kôfa alôha izy.24Atôvy veloma iré mpitarika anarè jiaby sy iré mpino jiaby. Iré zay avy agny Italia de magnano veloma anaré. 25Ho aminaré jiaby anie ny fahasoavagna.

James

Chapter 1

1Jakõba andevon'Andriamanitra sy tompo Jesosy Kristy, ho anaré fôko roé ambin'ny fôlo nipariàka: magnontasfa. 2Ataôvo hafaliagna aby jiaby zègny, ry ralahy, kôfa misedra olagna isan-karazany anaré. 3Fantanaré fô fitasapagna ny finoagnanaré dia mahatônga faharètagna.4Ambilay ny faharètagna hagnatantèraka ny asany, mbô tègna hivoàka tantèraka anare, sady feno tantèraka, kè tsy mijaly na ino na ino. 5Fô kô misy tsy manam-pagnahy, aoka izy angaho an-jégny amin'ny Andriamanitra/ lay raiky magnomia an-tsitrapô sy tsy mandatas zègny mangaho aminanjy, fa amiany ananjy zègny.6Fa ambilay izy angaho amin'ny finoagna, tsy mihènahèna na amin'ino na amin'ino. Fa zègny mihènahèna dia karaha onjan-dranomasigna zègny indôsin-drivotra ke mitompatompa. 7Fa zègny ôlo zègny dia tsy tôkony halak'onogna handray na ino na ino avy amin'ny Tompo. 8Ny ôlogno karahan-jègny miroa saigny, miôvaôva amin'ny diany jiaby.9Aoka ny ralahy mahantra hagnano fisandratany ho rèharèhanyn, 10fa ny ôlo manan-kariagna amin'ny fihetreny, satria izy dia malazo karaha folèra amin'ny ahitra. 11Fa ny masôva dia mibiagna amin'ny hafanagna mahamay kè magnamaigna ny ahitra. Ny folèra dia mihintsagna, kè hatsaragnany dia levogno. Karaha njègny koa, ny ôlogno manan-kariagna kè halazo amin'ny antsasaky ny diany izy.12Sambatra ny ôlogno zègny mahadigny fitsapagna. Satria kôfa avy mandalo fitsapagna izy dia handray satroboninahitra fiainagna, zègny nampanatenaignan-jaré zègny tia an'Andriamanitra. 13Kô misy halaim-pagnahy dia aoka izy tsy hivôlagna fô: "Andriamanitra maka fagnahy anah," satria Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-pagnahy, sady tsy mbô maka fagnahy na zôvy na zôvy.14Fa samby alaim-pagnahy ny ôlogno amin'ny fagniriany manôkana, zègny mampiemotra sy mandresy ananjy. 15Kôfa avy torotorôgnona ny fagniriagna, dia mitèraka fahotagna zègny. Kè kôfa mitômbo tantèraka ny fahotagna, dia mitèraka fahafatèsagna. 16Aza magneky fitahigna anaré,ralahy malalako.17Ny fagnomiazagna tsara jiaby sy fagnomiazagna tônga lafatra jiaby dia avy agny ambôny. Zègny dia mandrôrogna avy amin'ny Rain'ny faha zavagna. Miaraka aminanjy dia tsisy fiovagna na aloka avy amin'ny fiodignana. 18Andriamanitra dia nisafidy hagnomia fahamarinagna antsika amin'ny tenin'ny fahamarinagna, mbô ho karazagna voalôngam-bokatra amin'ny raha jiaby noforôgnony antsika.19Fantanaré zègny, ry ralahy malalako: aoka ny ôlogno jiaby halaky mitandrégny, tsy halaky hiteny, kè tsy ho môra vignitra. 20Fa ny fahavigniragna tsy ahèfagna na ino na ino, agnatrèhan'Andriamanitra. 21Kè hialao agny ny fahalotoagna jiaby ndraiky faharatsiagna jiaby. Amim-panetren-tègna ke alaivo ny teny èfa napètraka, zègny afaka mamonjy fagnahinare22Aoka ho mpagnaka ny teny anare fa tsy mpitandregny foagna, kè mamitaka ny tègnanare. 23Fa kô misy mpitandregny ny teny nèfa tsy magnaraka, dia kara ôlo mizaha tarehiny agnaty fitaratra izy. 24Kè mandinika ny tègnany izy nèfa avaké adignony mômmba ananjy. 25Fa ôlogno zègny mandinika tsara ny lalàgnan'ny fahafahagna, tônga lafatra, sy manohy magnano anjagny, fa tsy mpitandregny fôgna na magnadigno, dia hotahigna amizèny asany zègny ôlo zègny.26Kô misy mihevitègna ho mpivavaka, nèfa tsy mamehy lèlany dia mamitaka ny fony izy, kè tsisy dikany ny hivavahany. 27Ny fivavahagna mody tsisy pentigna agnatrèhan'Andriamanitra ndraiky Raintsika dia zao, magnampy zègny kamboty ndaiky mpitôndratègna amin'ny fahoriagnany, sady miaro tègna mbô tsisy pentigna avy amin'ny izao tontolo izao.

Chapter 2

1 Ry ralahiko, aza mitazogna ny finoagna an'ny Tompontsika Jesosy Kristy. lay Tompon'ny voninahitra, amin'ny fiangarana amin'ny ôlogna asananay. 2Atova hoe misy ôlogna magnisy peratra volamena sy akanjo tsara no miditra ako amin'ny fivorianareo, ary misy lalahy mahantra ihany koa magnato lamba maloto. 3Raha mizaha ilè ologna magnisy lamba tsara anà ary mivolagna hoe: '' Azafady mipitraha eto amin'ny toeragana tsara,'' fa hivolagna amin'ilè lalahy mahantra koza hoe: ''Mitsangàna ano ary,'' na hoe: ''Mipetraha eto an-tongotra,'' 4ka tsy mifampitsara aminy anan-dre? Ka tsy lasa mpitsara amin'ny eritreri-dratsy anan-dre?5Tandrigneso, ry rahalay mlalako, tsy efa nifidin'Andriamanitra ve ny mahantran'izo tontolo izo mbo hanankarena amin'ny finoagna sy mbô mpandova ny fanjakana izo nampananteniny ire izay tian'Anjy? 6Fa anan-dre de nagnalabarka ny mahamtra! Moa tsy ny mpana-karena ve no mampijaly anan-dre? Moa tsy ire va no mitarika anan-dre ho any amin'ny fitsaragna? 7Moa va tsy izi ire no magnaratsy ny agnaragna tsara izay anan-dre?8izegny aza, raha manantanteraka ny lalagnan'ny mpanjaka anan-dre, araka ny Sôratra Masigna hoe: ''de tiavo ny namano tahaka ny tegnano,'' de magnano tsara anan-dre. 9raha magnome sitraka ny ologna asanany koza anan-dre, de manota, ka voheloka kara ny mpamadika lalàna.10Na zôvy na zôvy mankasitraka ny lalàgna jiaby kanefa lavo amin'ny lalagna iraika monja, de ho meloka amin'ny lalàgna jiaby.11Fa ilè nivolagana hoe: ''Aza mijanganga,'' de nivolagna koa izy hoe: '' Aza mamono ologna.'' Raha tsy mijangajanga anandre, kanefa mamono ologna de lasa mpamadika ny lalàna.12Nohizany mivolagna sy magnanova kara ire izegy ho tsaraigna amin'ny lalàgnan'ny fahafahagna. 13ny fitsragna de tônga de tsisy famindram-pô. Ary ny famindram-po de mandresy ny fitsaragna.14 Ino no tsara, ry ralahiko,raha mivolagna ny ologna raika fa efa manamp-pinogna izy, kanefa tsisy asa? 15Atôvy hoe misy rahalahy na hanakavy ratsy fitafy sy tsy ampy sakafo isan'andro. 16Atôvy hoe misy raika aminan-dre mivolagna amin-jareo hoe: ''Mandehana am-piadanana, magnova mafana ary magnano voky.'' Raha tsy magnôme an-jare ny ràhà tadiaviny vatana anan-dre, ino ny mahatsara izegny.17De karanjany koa ny finoagna, raha tsisy asa izany, de mety.18Nèfa mety misy ologna mivolagna hoe: '' Manampinoagna ano, ary izaho managan'asa.'' Atoro zaho ny finogna tsisy asa, dia atoroko ano ny finoako amin'ny alalan'ny asako. 19Ano dia mino fa raika ny Andriamanitra; tsara izegny atôno zegny.Fa na ire demonia aza mino izegny, ka dia magôrohoro zare. 20Tianan-drè hofantatra ve, ry rahalahy adaladala, fa ny finoagna tsisy asa dia tsisy ilagna ananjy? [Fanamarihagna: ''Ny dikan-tey talôha asanany dia mamaky hoe: ''Tianan-dre hofantatra va, ry lelahy adaladala, hoe nagnino ny finoagna tsisy asa no maty'']21Tsy tamin'ny asa koa me nagnamarinagna an'i Abraham raintsika rehefa nanondro an'Iska zanagny lahy teo aminy alitara izy? 22Hitano fa ny finoagna dia niasa niaraka taminan'ny asany, ary amin'ny asan'ny dia nivotra tanteraka ny finoagnany. 23Dia tanteraka ny Sôratra Masigna izè mivolagna hoe: ''abrahama ninoan'Andriamnitra, ka nisaigna taminy fahamarinagna,'' ary izy nantsovigna hoe: sakaizan'Andriamanitra. 24Hitanan-dré izô fa amin'ny asa hanamarinagna ny ologna, fa tsy amin'ny finogna ihany.25 Karanjègny kôa, Rahaba mpivaro-tègna tsy nohamarinigna tamin'ny asa koa va izy, raha nandray irè fagnasana sy nagnondefa zaré tamin'ny lalagna afa? 26Fa maty ny vatagna raha misaraka amin'ny fagnahy dia karanjègny koa ny finogna raha tsisy asa dia maty.
Chapter 3

1Tsy ôlogno fôntry no tokony ho lasagna mpampianatra, ry ralahiko. Haintsika fô handray fitsaragna mafy kokôa antsika. 2Fa antsika jiaby dia tafitôhagna amin'ny fômba fontry. Kô misy tsy tafitôhagna amin'ny iré koragna, dia lilahy matôtro tantèraka izy, afaka mifehy na dia ny tègnany araiky manontôlo aza.3Ary kô asiantsika lamboridy aké ambavan'jaré sovaly mbô hikehin'jaré antsika, dia afaka mitôndra ny vatan'jaré jiaby foagna koa antsika. 4Zahano foagna koa fô iré sambo, na dia maventy be tokôatra aza izy regny mbola hidôsin'drivotra-mahery, dia vôavilin'ny familiagna samba hely agny amin'jègny jiaby tian'ny mpagnamory.5Karan'jegny koa ny lèla dia rantsagna hely amin'ny vatagna, kanèfa izy dia mihambo raha bètsaka. Zahano koa ny ahilèzan'ny afo zègny mandôro atiala maro. 6Ny lèla koa dia afo, tontôlon'ny fahotagna napètraka také amin'ny ratsam-batagnantsika. Zègny dia magnisa pentipentigna ny vatagna araiky manontôlo ary mandôro ny lalam-piainagna. Arehitrin'ny helo ny tègnany.7Fô ny karazam-bibidia jiaby, vôrogno, biby mandady, ary zava-boarin-dranomasigna dia fôlaka ary nifôlahin'ny ôlombélogno. 8Fa ny mômban'ny lèla, tsisy ôlogno mahavita mamôlaka anjegny. Io dia ratsy tsy hay fihézigny, feno poizigny mafaty.9Amin'io no hidèrantsika ny Tompo sy ny Ray, ary amin'io no hagnozônantsika ôlogno, zègny natô nitôvy tamin'Andriamanitra. 10Avy amin'jègny vava zègny foagna no hivoahan'ny fitahiagna sy fagnozôgnana. Ry ralahiko, tsy tôkony hibôaka iré raha iré.11Moa ny lôharano mô mamôaka rano mamy sy mangidy avy amin'ny fibôahany? 12Moa ny kakazon'aviavy mô, ry ralahiko, mamoa oliva? Na ny voalôboko, mamoa aviavy? Ny rano masira koa dia tsy afaka hagnamia rano mamy.13Zôvy no hendry sy mahay aké antèntègnaniré? Ambilay zègny ôlogno zègny hamoaka fihainagna tsara amin'ny asany amin'ny fanetrèn-tègnan'ny fahendregna. 14Fa koa managna fialôgnana mangidy anaré ary fagnirian-daza ako am-ponaré, dia aza mihambo na mandainga manôhitry ny marigna.15Zègny dia tsy fahendregna zay nidigna avy agny ambôny. Fa kosa, avy amin'ny tany, ny tsy ara-paganhy, ny demoniaka zègny. 16Fa agny amin'jègny misy fialôgnana sy fagniriagn-daza, dia misy fifanjevogna sy fagnanovagna ny ratsy jiaby. 17Fa ny fahendregna avy agny ambôny dia madi alôha, avy ake feno fiadagnana, malemy fagnahy, mihevitry ny hafa, feno famindram-pô sy vokatra tsara, tsy mamely, ary tsotra. 18Ny vokatra ny fahamarinagna dia voafafy am-piadagnana ake atèntègnan'jaré mampihavagna.

Chapter 4

1Avitaiza no nivoahany ady sy iré gidragidra také aminan-dre? Mô va tsy fagnirianan-dre zahay miady aminy mpikambagna ake antegateganan-dre? 2Magniry anan-dré nefa tsy managna. Mamono sady mitsiriritra anan-dre nefa tsy afaka ny ahazo. Miady sy mifamaly anaré. Tsy managna ananré satria mangataka. 3Managataka anan-dre nefa tsy mahazo satria ratsy fangatahagna, mbô hafahanan-dre mampiasa anizegny fagnirianan-dre.4 Anaré ry Mpijangajanga! Mô tsy fanatanan-dre mè fa ny fisakizagna an'izi tontolo izo dia fampirafesagna manohitra an'Adriamanitra? Kô na zôvy na zôvy te-ho sakaizan' izô tontolo izô dia magnano ny tegnany ho fahavalon'Andriamanitra.5Sa anan-dre mandinika fa ny Sôratra Masigna dia mivolagna zava-poagna hoe: "Ny fagnay zegny natôny nihaigna takô amintsika dia saro-piro lôatra''?6Fa Andriamanitra magnome fahasoavagna maromaro kaokao, no hizègny dia ahozy Sôratra Masigna hoe: ''Andriamanitra manohitra ny mpirèharèha, fa magnome fahasoavagna ny mpanetry tègna'' 7Ka magneke amin'Andriamanitra. Tohero ny devoly, dia hilèfa anan-dre izy.8Magnatôgna an'Andriamanitra, dia hagnatogna anan-dre Izy. Diovy ny tagnan-dre ry mpanota, ary diovy ny fonan-dre ry mpiroa saigna. 9Malahelôva, misaônà, ary mitomagnia! Aôka ny fimœzanan-dre hody fitomagniana, ary ny fifaliagnan-dre ho fanjoretagna. 10Manetre-tegna eo anatrehan'ny Tompo hanandratra anan-dre Izy.11Aza mifagnaratsy anan-dre, ry rahalahy. Ny ologna izè magnaratsy ny rahalahy na mitsara ny ralahy dia manohitra ny lalàgna na mitsara ny lalàgna. Raha mitsara ny lalàgna anan-dré, dia tsy mpakàto ny lalàgna, fa mpitsara. 12Iray ihany no magnome ny lalagna sy mitsara. Izy lay raika afaka mamonjy sy mandringana. Azôvy mè ano,izay mitsara ny namano?13Koa mitandrignesa, anan-dre izay mivolagna hoe: ''Niany na amaraigna hiditra ato amin'ity tanagna ity antsika,hidoka herintogna akagny, hagnano varotra,ary halaka antômbony.'' 14Izôvy no mahafantatra raha hitranga amaraigna,ary ino ny fiainagnan-dre? Fa zavogna mipoitra anan-dre avake dia malaky levona.15Tôkony hivolagna koza anan-dre hoe: ''Raha sitraky ny tompo, dia ho velogna antsika ary hagnano an'ity na hanao an'iroa.'' 16Fa avahizo anan-dre dia mipoerapoera aminire tetika mieboebo. Ny fireharehagna jiaby karanjegny dia ratsy. 17Ka ho an'izè rehetra mahafantatra ny ratsy nefa tsy magnano izegny, dia heloka ho ananjy izegny
Chapter 5

1Avia, anaré zegny magnan-kariagna, mitomagnia sy migogogogoa nony iré fahoriagna tônga aminaré. 2Ny hariagnanaré èfa io, ary ny fitafiagnanaré efa lanign-kalôlo. 3Ny vôlamènanaré sy ny vôlafôtsinaré dia èfa rifesigny. Ny rifesigny dia ho vavôlombelogno hagnampanga anaré. Handôro nôfonaré karaha afo izégny. Hankajiagnanaré karaha ny hariagnanaré hagny amin'ny andro farany.4Igny, ny karaman-jaré mpiasa dia mitarègny-ny karama zegny nitananaré tsy ho anjaré zegny nampamôakatra ny Tsabonaré, ary iré fitaraignan'ny mpijinja èfa tônga agny an-tadigny ny Zagnahary. 5Nihaigny tami'ny hariagna tatô ambôn-tany anaré ary nagnaram-pô tamin'ny tegnanaré. Natavezinaré ny fônaré ho an'ny andro famonoagna. 6Nagnameloko sy namôno ny ôlo-marigny anaré. Tsy nanohitry anaré izy.7Kôa maharèta, ry ralahy, mandra-pavian'ny Tompo. igny, ny mpamboly mandigny ny vokatra sarobidy avy amin'ny tany. Mandigny amim-paharetagna anjegny izy, mandram-pazahoanian'jegny ny vôlohany sy ny fara-ôragna. Anaré, 8fôgna koa, mahàreta. Hatanjaho ny fônaré satria èfa mariny ny fatongavan'ny Tompo.9Aza mifampitaregny, ry ralahy, mbo tsy ho tsaraigny anaré. igny ny mpitsara mijaridigny aké am-bavatamiagna. 10Malaka ôhatra, ry ralahy, avy amin'ny fijalianagna sy faharètan'jaré mpaminagny, iré zegny nivôlagna tamin'ny agnaran'ny Tompo. 11igny, atôntsika kara ny miadagna zaré zegny èfa niharitry. Èfa régninaré ny fiharètan'i Joba, ary fantanaré ny tanjognan'ny Tompo ny maha-feno fangorahagna sy famindram-pô Ananjy.12Fô agnambon'ny jiaby, ry ralahikô, aza magnaniany, na amin'ny lagnitry na amin'ny tany, na amin'ny fihainagna hafa. fo kosa, hôka ny vôlagnanaré hoe: "Ia" no "Ia" ary ny "Ahe" no "Ahe," mbo tsy hiditry amin'ny fitsaragna anaré.13Misy ôlogno mo aké aminaré mijaly amin'ny andraikitry sarotro? Ôka izy hivavaka. Misy ôlogno faly mo?Ôka izy hihira fideragan. 14Misy marary mo eké antaintaingnanaré?Ôka izy hagnatso ny lôholon'ny fiangonagna, ary hôka zaré hivavaka ho ananjy.Ôka zarè hagnosotro mènaka ananjy amin'ny aganran'ny Tompo. 15Ny fivavaha ny finoagna no hagnasitragna ny ôlogno marary, ary ny Tompo hanangagna ananjy, dia hagnambèla ananjy Andriamanitra.16Koa mifagnikia heloko anaré, ary mifampivavaha, mbo ho sitragna anaré. Ny vavaka atôn'ôlo-marigny dia tegna matanjaka amin'ny fatôny. 17Elia dia lalahy mitôvy tamintsika fogna. Nivavaka mafy izy mbô tsy hilatsahan'ny ôragn'andro, ary tsy nilatsaka tamin'ny nandritry ny telo tôgno sy enim-bolagna zegny. 18Avy take nivavaka koa Elia. Ny lagnitry dia nagnomia ôran-andro, ary ny tany nagnomia ny vokany.19Ry halahikô, izy koa misy aké aminaré miala amin'ny fahamarinagan, ary misy araiky mamerigny ananjy, 20dia tokony ho fantan'io ôlogno io fô na izovy na izovy magnala ny mpanota araiky amin'ny lalagna-diso dia hamonjy ananjy amin'ny fahafatèsagna, ary agnarogna fahotagna maroboe.

1 Peter

Chapter 1

1Petera, apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'iré zanaka am-pielezagna, iré zay voafidy, magneragna an'i Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia, ké Bitynia. 2Izégny de araka ny fantatr'Andriamanitra Ray mialôha, voatôkan'ny Fanahy ho fankatoavagna sy ho famafazagna ny ràn'i Jesosy Kristy. Ho aminaré anie ny fahasoavagna, ké hitômbo anie ny fiadanagnaré.3Ho tahiagna anie Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin'ny famindram-pôny, no nagnomezany antsika fahaterahagna vôvô ho an'ny fahatokisan'ny lova. Izégny lova izégny de tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny naty. 4Izégny de ho an'ny lova zay tsy ho foaty, tsy ho simba, ké tsy ho levogna. Izégny de voatôkagna ho anaré agny an-dagnitra. 5Anaré de arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoagna, ho an'ny famonjegna zay efa vonogna ho ambara amin'ny fotoagna farany.6Tegna ravoravo momba izégny anaré, na de alainaré aza ny hahatsiaro malahelo amin'ny ôlogno maro samy hafa avaizo. 7Izégny de ho an'ny fagnaporofoagna ny finoagnaré, zay sarobidy kokoà noho ny vôlamena zay simba, na de nosedraigna tamin'ny afo aza. Miseho izégny mbô ho hita ny vôkatry ny finoagnanaré amin'ny fideragna, voninahitra, ké haja amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy.8Tsy nahita Ananjy anaré, nefa tia Ananjy. Tsy mahita ananjy anaré avaizo, kanefa mino Ananjy ké tegna faly amin'ny fifaliagna tsy hay koragnina, mahafinaritra. 9Raisinaré avaizo ny vokatry ny finoanaré, de ny famonjegna ny fagnahinaré. 10Iré mpaminany de nikaroka sy nagnontany tsara ny momba izégny famonjegna izégny, ny momba ny fahasoavagna zay ho anaré.11Zaré ré de nitady ny hahafantaragna ny momban'ny hoe zôvy sy oviagna ny Fanahin'i Kristy akô aminjaré ré no nivôlagna taminanjy iré. Izégny de nitranga karaha fijalian'i Kristy sy ny voninahitra magnaraka izégny. 12Nambara taminjaré ré izégny mbô tsy hanompo ny tegnany zaré ré, fô anaré, rehefa nivôlagna iré raha zay voalaza taminaré avaizo zaré ré tamin'ny alalan'iré zay nitory ny filazantsara taminaré tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina nalefa avy agny an-dagnitra-- raha zay tian'iré anjely ho fantatra.13Noho izégny homano ny sainaré. Mahonona tegna. Mametraha fitokiagna amin'ny fahasoavagna zay ho entigna aké aminaré amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy. 14Amin'ny maha-zanaka mpankàto, aza mampifanaraka ny tegnanaré amin'iré fagniriagna zay narahinaré tamin'ny mbôla tsy nahalala anaré.15Fô karaha lay zay niantso anaré hoe masina, anaré, ihany koà, ôka ho masina amin'ny fitondran-tegnanaré manontolo. 16Fô voasôratra hoe: ''Ôka ho masina, satrià masina Zaho.'' 17Ké kôfa magnantso lay araiky zay mitsara tsisy fagnavakavahagna araka ny asan'ôlogno tsiraikaraiky avy hoe: ''Ray'' anaré, de handany ny fotoan'andronaré amin'ny fanehoagna fagnajagna.18Fantatraré fô tsy avy tamin'ny vôlafôtsy na vôlamena mety levogna no nanavotagna anaré tamin'ny fitondran-tegna adala zay nianaranaré tamin'iré razanaré. 19Fô ndraiky, navotagna tamin'ny rà sarobidin'i Kristy anaré, zay karaha ny zanak'ondry tsisy kilema na tsigny.20Voafidy talôhan'ny nananganagna an'izô tontôlo izô Kristy, fô avaizo de tamin'iré fotoagna farany no nagnambaràgna Ananjy taminaré. 21Amin'ny alalany no hinoanaré an'Andriamanitra, zay nanangagna ananjy tamin'ny naty sy tamin'iré namiany voninahitra mbô ho akô amin'Andriamanitra ny finoagna sy fahatokianaré.22Nagnadio ny fagnahinaré tamin'ny fankatoavagna ny fahamarinagna anaré. Izégny de ho an'ny fitiavagna ara-pirahalahiagna madio; noho izégny mifankatia fatratra amin'ny fô. [Fagnamarihagna: Iré dika-teny sanany de mivaky hoe: ''Nagnadio ny fagnahinaré tamin'ny fankatoavagna ny fagnahinaré tamin'ny alalan'ny Fanahy anaré''] 23Nateraka indraiky anaré, tsy avy amin'ny voa mety naty, fô avy amin'ny voa tsy mety naty, amin'ny alalan'ny koragnan'Andriamanitra velogna sy mitoetra.24Fô ''ny nôfo jiaby de karaha ny ahitra, ké ny voninahiny jiaby de karaha ny voninkazon'ny ahitra. Maigna ny ahitra, ké malazo ny voninkazo, 25fô ny koragnan'ny Tompo de mipetraka mandrakizay.'' Izégny ny vôvô mahafaly zay nambara taminaré.
Chapter 2

1Noho izégny ario ny ratsy jiaby, ny fahadisoam-panantenagna jiaby, ny fihatsaram-belatsihy, ny fagniriagna, ké ny fanendrikendrehagna jiaby. 2Karaha ny zaza vao teraka, magniry ronono ara-pagnahy madio, mbô hahafahanaré mitômbo akô amin'ny famonjegna amin'ny alalan'izégny, 3kôfa nahatsapa anaré fô tsara fagnahy ny Tompo.4Magnantogna ananjy lay vato velogna zay narian'ny ôlogno, fô voafidin'Andrimanaitra ho manan-danja Aminanjy. 5Ananaré foagna koà de karaha iré vato velogno zay voarigna ho tragno ara-pagnahy, mbô ho mpisorogna masina zay manolotra ny sarogna ara-pagnahy eken'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.6Ny Sôratra Masina de ahitagna izô: ''Io, Zaho mipetraka amin'ny Ziona vato fehizoro, voafidy sy manan-danja. Zay jiaby mino ananjy de tsy ho megnatra.''7Ny voninahitra noho izégny de ho anà zay mino. Kanefa, ''ny vato narian'iré mpagnori-tragno, izégny de tônga lôhan'ny fehizoro''- 8ké vato mahatafintohigna sy vatolampy mahalavo. Tafintohigna zaré ré, tsy nagneky ny koragna, zay voatôkagna ho ananjy iré ihany koà.9Fô anà de ôlom-boafidy, mpisôron'ny mpanjaka, firenegna masina, ôlogno ho an'ny fanagnan'Andriamanitra, mbô ho afaka hagnambara ny hatsaran'iré asan'ilay zay niantso anà avy takô amin'ny haizigna hankao amin'ny hazavany mahatalanjogna anà. 10Talôha anà tsy ôlogno, kanefa avaizo anà de ôlon'Andriamanitra. Tsy nandray famindram-pô anà, fô avaizo anà nandray famindram-pô.11Ry malala, magnantso anaré karaha ny vahiny sy mpirenireny zaho mbô hifady ny filàn'ny nôfo, zay mahatônga ady manohitra ny fagnahinarè. 12Tôkony managna fitondran-tegna tsara anaré aké amin'iré Jentilisa, mbô ho, kôfa mikoragna momba anaré ho nagnano raha ratsy zaré ré, de tôkony hahita iré asa tsaranaré sy hankalaza an'Andriamanitra amin'ny andro zay hahatongavany.13Ankatoavy ny fahefan'ny ôlombelogno jiaby noho ny amin'ny Tompo. Ankantoavy karaha ny ambôny indrindra ny mpanjaka, 14sy iré governora ihany koa, zay nalefa mbô hagnasazy iré mpagnano ratsy sy hankalaza iré zay magnano ny tsara. 15Fô izégny no sitrapôn'Andriamanitra, amin'ny fanaovagna ny tsara anaré de mampangina ny koragna tsy mahalala fomban'ny ôlogno adala. 16Karahan'ny maha-ôlon'afaka, aza ampiasaigna ho karaha ny fanarognana fahalimiagna ny fahafahanà, fô ôka ho karaha ny mpanompon'Andriamanitra. 17Amiao voninahitra ny ôlo-jiaby. Tiava ny firahalahiagna. Mahatahora an'Andriamanitra. Amiao voninahitra ny mpanjaka.18Ry mpanompo, meteza hagneky ny tomponaré amin'ny fagnajagna jiaby. Aza magneky ho mpanompon'ny tsara sy ho tompo tsara fagnahy, fô ho an'iré ratsy toetra ihany koà. 19Satrià mendri-pideragna izégny raha misy miaritra fanaintaignana rehefa mijaly amin'ny tsy rariny noho ny fanantenany an'Andriamanitra. 20Fô ohatrinona ny vôla kôfa manota anà ké miaritra mandritry ny fanasaziagna anà avy aké? Fô kôfa nagnano ny tsara anà ké miaritra mandritry ny fanasaziagna anà, de medri-pideragna amin'Andriamanitra izégny.21Fô noho itô no niantsoagna anà, satrià Kristy ihany koà de nijaly ho anà. Namela ohatra ho anà Izy mbô hagnarahagna iré lalany. 22Tsy nanota Izy, na hoe nisy fitaka takè am-bavany. 23Kôfa novolagnana ratsy Izy, de tsy mbô namaly ratsy. Kôfa nijaly Izy, de tsy nandrahogna, fô nanôlotra ny tegnany tamin'ilay araiky zay Mpitsara ampahamarinagna.24Izy tegnany de nitôndra iré fahotantsika takô amin'ny tegnany ho aké ambôny hazo, mbô tsy hanagna anjara amin'ny fahotagna intsony atsika, ké mbô hiaigna ho an'ny fahamarinagna. Tamin'ny alalan'ny ratrany no nahasitragna anaré. 25Nirenireny karaha ny ondry very anaré jiaby, fô avaizo anarè niverigna tamin'ny mpiandry ondry sy mpiambigna ny fagnahinaré.
Chapter 3

1Amin'izégny fômba izégny, Anaré viavy de tôkony hagneky ny vadinaré. Atôvy izégny na de misy lalahy maro aza tsy magneky ny koragnany, ké mety ho azo zaré ré na tsisy aza ny koragna, amin'ny alalan'ny fitondran-tegnan'ny vadinjaré ré. 2Fô zarè ré de hahita ny fitondran-tegna mendrikaré am-pagnajagna.3Ôka izégny ho tanteraka tsy miaraka amin'iré haingo ivelany: renitra randrana, firavaka vôlamena, na lamba lamaody. 4Fô ndraiky, ôka izégny ho tanteraka miaraka amin'izay akô am-pôn'ny ôlona, sy ny hatsaragna maharitran'ny fanahy tsara sy mangina, zay sarobidy aké agnatrehan'Andriamanitra.5Fô iré viavy masina talôha no nandravaka ny tegnanjaré iré karaha izégny. Nanagna fahatokisagna an'Andriamanitra zaré ré ké nagneky ny vadiny avy. 6Karaha izégny fômba izégny no nankatoavan'i Abrahama an'i Saraha sy niantsoany ananjy ho tompony. Anaré de zanakany avaizo kôfa magnano zay tsara sy tsy matahotra ôlogno anarè.7Karaha izégny foagna, anaré lalahy de tôkony maigna miaraka amin'ny vadinarè araky ny fahazavan-tsaigna, karaha ny fanaka malemy kokoà, ny viavy. Tôkony amianaré vôninahitra zaré ré karaha ny mpiara-mandova ny fagnomezan'ny fiainagna. Ataovy izègny mbô tsy ho voasakagna ny vavakaré.8Farany, anaré jiaby, ôka hiray saigna, hangoraka, hifankatia karaha ny mpirahalahy, ho tso-pô, ké hanetri-tegna. 9Aza mamaly ratsy ny ratsy na manevateva ny mpanevateva. Mifanohitra amin'izay aza, mitahia hatragny, fô noho izégny no nagnantsoagna anaré, mbô hahafahanaré mandova ny fitahiagna.10''Lay araiky zay te hankafy ny fiainagna sy te hahita andro tsara de tôkony hagnatsahatra ny lelany amin'ny ratsy sy ny molotra amin'ny fivolagnagna fitaka. 11Ôka izy hiala amin'ny atô hoe ratsy ké hagnano zay tsara. Ôka izy hitady fiadanagna sy hitaka izégny. 12Ny mason'ny Tompo mahita ny marigna, ké ny tadigniny maharegny iré fangatahanjaré ré. Fô ny tavan'ny tompo de manohitra iré zay magnano ratsy.''13Zôvy lay araiky hamely anaré kô magniry ny hagnano ny tsara anaré? 14Nefa kô mijaly nohon'ny fahamarinagna anaré, de sambatra. Aza matahotra zay hatahoranjaré ré. Aza mangorohoro.15Fô ndraiky, atokagno karaha ny masina akô am-pônaré lay Tompo Kristy. Mivonogna hatragny hamaly ny ôlogna jiaby zay magnontany anaré ny antony hatokianaré an'Andriamanitra. Atôvy amin'ny halemem-pagnahy sy fagnajagna izégny. 16Manàgna feon'ny fieritreretagna madio mbô ny ôlogno zay manevateva ny fiainagna tsaranaré akô amin'i Kristy de mety megnatra satrià mivôlagna manohitra anaré zaré ré karaha ny hoe mpagnano ratsy anaré. 17Tsara kokoà, kôfa Andriamanitra no magniry, fô mijaly anaré amin'ny fagnanôvagna ny tsara nohon'ny fagnanôvagna ny ratsy.18Efa nijaly nohon'ny fahotagna foagna koà i Kristy. Izy zay marigna de nijaly ho antsika, zay tsy marigna, mbô hitondrany antsika aké amin'Andriamanitra. Novonoigna tamin'ny nôfo Izy, fô novelomin'ny Fanahy. 19Tamin'ny alalan'ny Fanahy, de nandeha izy ké nitory ho an'iré fagnahy zay agny am-ponja avaizo. 20Tsy nankatoa zaré ré kôfa niandry ny faharetan'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, tamin'ny andron'ny fananganagna sambofiara, ké Andriamanitra namonjy ôlogna vitsy _ fanahy valo _ tamin'ny rano.21Izegny no famantaragna ny batisa zay mamonjy anaré avaizo_tsy karaha ny fagnadiovagna ny loto amin'ny vatagna, fô karaha ny antson'ny feon'ny fieritreretagna ho amin'Andriamanitra_tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny naty. 22Kristy de aké an-tagnana ankavanan'Andriamanitra. Niakatra agny an-dagnitra izy. Iré anjely, iré manam-pahefagna, ké ny hery de tsy maintsy magneky Ananjy.
Chapter 4

1Noho izégny, satrià nijaly tamin'ny nofo i Kristy, de atôvy fiadian'ny tegnanaré izégny tanjogna izégny. Fô zay jiaby nijaly tamin'ny nôfo de nitsahatra tamin'ny fahotagna. 2Vokatr'izégny, ny ôlogna karaha, mandrindra ny fotoagna sisa hiaignany, de tsy hiaigna ho an'ny fagnirian'ny ôlogna intsony, fô ho an'ny sitrapôn'Andriamanitra.3Fô ampy zay ny fotoagna lasa nagnanaovagna zay tian'ny Jentilisa atô- hafalian'ny nôfo, fijejojejoagna, fimamoagna, fitondran-tegna mahamegnatra, fidôlavan-dratsy, ké iré asan'ny fanompoan-tsampy maharikoriko. 4Heverin-jaré fô hafahafa satrià tsy mikambagna aminjaré ré akô amin'izégny fagnaranam-pô be izégny anaré, noho izégny de hivôlagna ratsy momba anaré zaré ré. 5Hamaly ny araiky zay vonogna hitsara ny velogna sy ny maty zaré ré. 6Noho izégny antony izégny no nitoriagna ny vôvô mahafaly tamin'iré naty ihany koà, mbô, na de notsaraigna tamin'ny nôfo karaha ny ôlogna aza zarè ré, de hiaigna takô an'Andriamanitra akô amin'ny fagnahy.7Magnakaiky ny faran'ny raha jiaby. Noho izégny tongava saigna, ké mahonogna tegna amin'ny eritreritraré ho an'ny fitiavam-bavaka. 8Ambônin'ny raha jiaby, manàgna fitiavagna feno ho an'ny tsiraikaraika avy, fô ny fitiavagna mandrakotra fahotagna maro. 9Mifampiantranoa tsy am-pitarainagna.10Fô ny tsiraikaraika aminaré de nandray fagnomezam-pahasoavagna, ampiasao hifanompoagna izégny. Magnanôva izégny karahà ny mpitan-draharahan'ny fagnomezam-pahahasoavagna maro maimaimpoagna an'Andriamanitra. 11Kô misy mivôlagna, ôka izy hagnano izégny karahà ny araika mivôlagna ny tenin'Andriamanitra. Kô misy manompo, ôka izégny ho avy amin'ny hery zay vatsian'Andriamanitra. Magnanôva iré raha iré mbô hamiàm-bôninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy amin'ny fômba jiaby Andriamanitra. Ôka ho an'i Jesosy Kristy ny voninahitra sy hery mandrakizay dorià. Amena.12Ry malala, aza raisigna ho hafahafa ny fitsapagna amin'ny afo zay nitranga taminaré, karahà ny hoe nisy raha hafahafa nitranga taminaré. 13Fô ndraika, na de betsaka aza ny hiaignanaré iré fijaliàn'i Kristy, mifalià, mbô ho afaka hifaly foagna koà anaré ké ho ravoravo amin'ny fagnambaragna ny voninahiny. 14Kô notevatevaigna noho ny agnaran'i Kristy anaré, de voàtahy, satrià ny fanahin'ny voninahitra sy ny fanahin'Andriamanitra de midôko akô aminaré.15Fô ôka tsy hisy na zôvy na zôvy aminaré hijaly karahà ny mpamono ôlogna, mpangalatra, mpagnano ratsy, na mpiraharaha ny an'ny hafa. 16Fô kô misy mijaly fô Kristiana, ôka izy tsy ho ménatra; fô ndraiky, ôka hagnamia voninahitra an'Andriamanitra amin'izégny agnarana izégny izy.17Fô fotoagna izô hanombohagna ny fitsaragna miaraka amin'ny ankohonan'Andriamanitra. Kôfa manomboka amintsika izégny, ino no ho vokatra ho an'iré zay tsy mankàto ny filazantsaran'Andriamanitra? 18Ké kôfa ''ny ôlo-marigna aza hila tsy ho voàvonjy, amin'ny fomba akôry no hisehoan'ny ôlogna tsy an'Andriamanitra sy ny mpanota?'' 19Noho izégny ôka iré zay mijaly noho ny sitrapon'Andriamanitra hagnankiagna ny fagnahinjaré iré amin'ny Mpamorogna mahatoky amin'ny fanaovan-tsoa.
Chapter 5

1Magnanatra iré lôhôlogna aminaré zaho, zaho, zay lôhôlogna namagna. Zaho foagna koà de vavolombelon'iré fijalian'i Kristy, ary indraiky koà mpikambagna akô amin'ny vôninahitra zay efa haseho. 2Noho izégny, magnanatra anaré zaho, ry lôhôlogna, andraso ny ondrin'Andriamanitra zay aké aminaré. Araho maso zaré regny, tsy amin'ny fahateriteregna, fô amin'ny sitrapônaré, karaha ny sitrapôn'Andriamanitra. Araho maso zaré regny, tsy amin'ny vôla maloto, fô an-tsitrapô. 3Aza manjakazaka amin'ny ôlogna zay tandremanaré. Fô ndraiky, ôka ho fitaratra ho an'ny ondry. 4Ké kôfa miseho lay Lôhan'ny mpiandry ondry, de hahazo satro-boninahitra tsy mety simba anaré.5Karaha izégny koà, anaré tanora fagnahy magneky ny ôlon-dehibe. Anaré jiaby, tafio fagnetren-tegna ny tegnanaré ké mifanompoa. Fô Andriamanitra manohitra ny mpirehareha, fô magnamia fahasoavagna ny mpagnetry tegna. 6Noho izégny magnetre tegna aké ambanin'ny tagna-maherin'Andriamanitra mbô hagnandratany anaré amin'izégny fotoagna izégny. 7Ambilay aké aminanjy ny fagnahianaré jiaby, satrià Izy no miahy anaré.8Mahonona tegna, miambena. Ny fahavalonaré, de ny devoly, miodidigna karaha ny liona mierogna, mitady zay ôlogna ho arapany. 9Manohera ananjy. Mioregna mafy amin'ny finoanaré. Fantatraré fô izégny fahoriagna izégny de manjo ny firaisan'iré mpino magneragna an'izô tontôlo izô foagna koà.10Kôfa avy nijaly nandritra ny fotoagna fohy anaré, ny Andriamanitry ny fahasoavagna jiaby, zay nagnantso anaré ho amin'ny voninahiny mandrakizay akô amin'i Kristy, de hahatanteraka anaré, hanangagna anaré, ké hampahery anaré. 11Ho Ananjy anie ny fanjakagna mandrakizay mandrakizay. Amena12Raisiko karaha ny rahalahy mahatoky i Silasy, ké nanôratra koragna foika ho anaré tamin'ny alalany zaho. Magnanatra anaré zaho ké magnambara anaré fô zay nosoratako de fahasoavagna marin'Andriamanitra. Mijoroà amin'izégny. 13Ny viavy zay agny Babylona, zay voafidy niaraka taminaré, magnano velôma anaré. Ary koà i Marka, zanako lahy, magnano velôma anaré. 14Mifagnanaova velôma amin'ny fagnoroham-pitiavagna. Ho aminaré jiaby anie ny fiadanagna zay akô amin'i Kristy.

2 Peter

Chapter 1

1Simona Petera, mpanompo sy apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'iré zay nahazo ny finoagna sarobidy karaha zay noraisinay, finoagna akô amin'ny fahamarignan'ny Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy. 2Hampitômbo anie ny fahasoàvagna sy fiadanagna nohon'ny fahalalagna an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.3Iré raha jiaby mahakasika ny herin'Andriamanitra ho an'ny fiainagna sy toe-pagnahy de hagnamia antsika tamin'ny alalan'ny fahalalagna an'Andriamanitra, zay niantso antsika tamin'ny alalan'ny vôninahiny ndraiky fahatsarany manôkagna. 4Tamin'ny alalan'iré, namiany koragna fikasagna tsara sady maventy indrindra atsika, mbô ho tônga mpizara amin'ny fômban'Andriamanitra anaré, raha mitsoaka ny fahalotoagna zay aketo an-tany noho iré filàn-dratsy.5Noho izégny, magnanaova ny tsara indrindra mbô hagnampiagna fahatsaragna amin'ny alalan'ny finoanarè, ké amin'ny alalan'ny fahatsaranaré, ny fahalalagna. 6Amin'ny alalan'ny fahalalanaré, magnampia fahononam-pô, kè amin'ny alalan'ny fahononam-pônaré, magnampia fiaretagna, ké amin'ny alalan'ny fiaretanaré, magnampia toe-pagnahy. 7Amin'ny alalan'ny toe-pagnahinaré, magnampia fitiavagna rahalahy, ké amin'ny alalan'ny fitiavagna rahalahy, magnampia fitiavagna.8Kôfa akô aminaré iré ké mitômbo akô aminaré, de tsy hamoa na tsy hamokatra amin'ny fahalalagna an'i Jesosy Kristy Tompontsika anaré. 9Fô na zôvy na zôvy tsy ampy iré raha iré de tsy mahita afa-tsy zay akaiky; jamba izy. Nadinoiny ny fagnadiovagna ananjy tamin'iré fahotany talôha.10Noho izégny, ry rahalahy, ataovy ny jiaby mbô hahazoagna antoka ny fiantsoagna ndraiky fifidianagna anarè. Kôfa magnano iré raha iré anaré, de tsy ho voafingagna. 11Amin'izay de malalaka ho anaré ny fidiragna akô amin'ny fanjakagna mandrakizay zay an'ny Tompontsika sy Jesosy Kristy mpamonjy.12Noho izégny de vonogna foagna zaho hampatsiaro anaré iré raha iré, na de fantatraré aza iré, ké na de mantanjaka akô amin'ny marigna aza anaré avaizo. 13Zaho mieritreritra fô rariny aminahy ny mamôha anaré amin'ny fampahatsiahivagna iré raha irè, kôfa mbôla aketo amin'itô tragno-lay itô zaho. 14Satrià fantatro fô tsy ho ela de ho esoriko ny tragno-laiko, karaha zay nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika anahy. 15Ké ho ataoko zay farany vitako mbô hahatsiarovanaré mandrakariva iré raha iré rehefa lasa zaho.16Fô zahay de tsy nagnaraka angano tsara rafitra zay noforognina rehefa nikoragna taminaré ny momban'ny hery sy ny nisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Fô ndraiky, zahay de vavôlombelogna nahita ny fiandriagnany. 17Fô Izy de naharay laza amam-bôninahitra avy tamin'Andriamanitra Ray rehefa nisy feo tônga také Aminanjy tamin'ilay vôninahitra maventy indrindra hoe: ''Itô no Zanako malalako, zay sitrako indrindra.'' 18Naharegny izégny feo avy agny an-dagnitra izégny zahay, rehefa niaraka taminanjy tegny an-tendrombôhitra masina.19Atsika de managna itô koragna faminaniagna zay efa natô mafy origna itô. Tôkony hitandrigna izégny tsara anaré. Izégny de karaha ny jiro mazava akô agnaty haizigna mandra-piavin'ny marigna sy ny kintan'ny marigna mipôsaka akô am-pônaré. 20Fantaro alôha izô, fô tsisy faminaniagna avy amin'ny famoahan-kevitry ny ôlogno. 21Fô tsisy faminaniagna avy tamin'ny sitrapôn'ny ôlogno. Fô ndraiky, notarihan'ny Fanahy Masina zaré regny mbô hivôlagna zay nokoragnin'Andriamanitra.

Chapter 2

1Ny mpaminany sandoka de tônga také amin'ny ôlogno, ké ny mpampianatra sandoka foagna koà de ho avy aké aminaré. Hitôndra mangingigna sain-diso mamotika zaré ré, ké handà ny Tompo zay nividy iré. Zaré ré de mitondra fahapotehagna faingagna aminjaré ré. 2Maro no hagnaraka ny fijejojejoanjaré ré, ké amin'ny alalan'iregny no hivolagnan-dratsy ny lalan'ny fahamarinagna. 3Amin'ny fieremagna no hagnararaotany anaré miaraka amin'ny koragna mamitaka. Tsy ho ela ny fagnamelohagna ananjy iregny; tsy matory ny fahapotehanjaré regny.4Fô Andriamanitra tsy namindra fô iré anjely izé nanota. Fô kosa natôlony ho amin'ny vilagny tagny zaré ré mbô ho voatazogno amin'ny fonjan'ny fahamaizinagna mandra-pihavin'ny fitsaràgna. (Fanamarihagna: Ny dikan-teny talôha sasany de mivaky karaha izô: ''Mbô ho fatôragna akô amin'ny lavaky ny fahamaizinagna mandra-pihavin'ny fitsaràgna.'') 5Ké ihany koà, tsy naméla izô tontolo izô talôha izy. Fô kosa, namonjy an'i Noah, izé mpitôry ny fahamarinagna, miaraka amin'ny fito hafa, rehéfa nitôndra nyy safo-drano tamin'ny ratsy Fagnahy také amin'izô tontolo izô izy. 6Andriamanitra ihany koà de nagnano iré tanàgnan'i Sodoma sy Gomora ho lavelogno ké nagnameloko ananjy iré ho amin'ny fahapotehagna, ho karaha ny ôhatra amin'izé hitranga amin'ny ratsy fagnahy.7Fô i Lota marigna, zay nampahoriagna tamin'ny fitondran-tegnan'iré ôlogno tsy ara-dalàgna tamin'ny fijejojejoagna, de novonjen'Andriamanitra. 8Fô izégny lalahy marigna izégny, zay niaigna niaraka taminjaré ré isan'andro, de fadiranôvagna tamin'ny fanahin'ny fahamarignany noho zay hitany sy regny. 9Fantatry ny Tompo ny fômba hamonjegna iré ôlogno tsara fagnahy amin'iré fitsapagna, sy ny fômba hitazômagna iré ôlogno tsy marigna ho amin'ny famaizagna amin'ny andron'ny fitsaràgna.10Marigna kokoà izé ho an'jaré izégny manôhy amin'ny faniriàgna ratsin'ny nôfo sy magnano tsinontsinogna ny fahefagna. Masaky sady mitômpo tégna fatratra zaré ré. Zaré ré de tsy matahotro hivôlanga ratsy iré be vôninahitry. 11Iré anjely de managna hery sy fahefagna lehibe, fô zaré ré de tsy mitôndra fitsaragna maniratsira manohitra anajy iré amin'ny Tômpo.12Fô iré biby tsy manan-tsaigna iré de natao ho sambôrina sy potehigna. Tsy fantatra-jaré ré zay tsiratsirain-jaré ré. Ho potika zaré ré. 13Handray ny valisoan'ny raha ratsy nataony zarè ré. Mieritreritra zaré ré fô ny tsy fiafiàgna mandritry ny andro de fahafinaretagna. Zaré de be pentipentigna sy tsigny. Mahafinaritra ananjy iré ny asa famitahan-jaré kôfa mihinagna miaraka aminaré. (Fagnamarihagna: Iré dikan-teny sasany de mivaky karahà izô: ''Mahafinaritra ananjy iré ny asan-jaré ré kôfa mihinagna miaraka aminaré amin'ny hanim-pifankatiavagna.'') 14Adalam-biavy mijangajanga zaré ré; tsy afa-pô amin'ny fahotagna foàgna zaré ré. Mitarika fagnahy tsy mety naty amin'ny fagnanôvan-dratsy zaré ré, ké managna fô voaofagna amin'ny fitsiriritagna zaré ré. zanaky ny fanozonagna zaré régny!15Niala tamin'ny lala-mahintsy zaré ré. Lasa nivily zaré ré, ké nagnaraka ny lalan'i Balama zanak'i Beora, zay tià ny tambin'ny tsy fahamarinagna. (Fagnamarihagna: Iré dikan-teny sasany de mivaky karahà izô: ''Balama, zanak'i Beora.'') 16Fô nahazo teny mafy izy nohon'ny fandikan-dalàgnany manôkagna. Nisy boriky moà nivôlagna tamin'ny feon'ôlombelogna nampijanogna ny adalanan'ilay mpaminany.17Iré ôlogna iré de karaha ny lohatôgno tsisy ôragna. Karahà ny rahona indôsiny tafio-drivotra zaré ré. Natôkagna ho ananjy iré ny haizigny matevigna. 18Mivôlagna tsy am-piheveragna zaré ré. Mitaogno ny ôlogna amin'ny alalan'ny filàn'ny nôfo njaré ré. Zaré ré mitaogno ny ôlogna zay mihezaka milefa iré zay miaigna amin'ny fahadisoagna. 19Zaré ré de mampanantegna fahafahagna ho ananjy iré, kanefa izy tegnany ary de andevon'ny fahalotoagna. Fô ny ôlogno de andevon'izay jiaby maharesy ananjy.20Na zôvy na zôvy afaka amin'iré fahalotoan'izô tontôlo izô amin'ny alalan'ny fahalalagna ny Tompo sy Jesosy Kristy Mpamonjy, ké avy aké miverigna amin'iré fahalotoagna ndraiky, de hanjary ratsy noho lay toe-draha voalôhany lay toe-draha farany. 21Tsara kokoà ho ananjy iré ny tsy mahafantatra ny lalan'ny fahamarinagna nohon'ny mahafantatra izégny de hivadika amin'ny didy masina natôlotra ananjy iré. 22Marigna ho ananjy iré itô ôhabôlagna itô hoe: ''Ny kivà no miverigna amin'ny loany. Ny kisoa efa nisasa miverigna mihoso-pôtaka.''

Chapter 3

1Avaizo, ry malala, manôratra ho anaré itô taratasy faharoy itô zaho ho fampatsiahivagna entigna hamporisihagna ny sainaré madio, 2mbô hahatsiarovanà iré koragna novolagnin'ny mpaminany masina tagny talôha sy ny didin'ny Tompo sy mpamonjy antsika zay namian'irè apostolinaré.3Fantaro alôha izô, fô ny mpagniratsira de ho avy amin'ny andro farany. Zaré iré de hagneso ké handeha araka ny filànjaré ré manôkagna. 4Zaré ré de hivôlagna hoe: ''Eza ny fampanantenagna ny amin'ny fiveregnany? Fô hatrizay nodian'ny razambe mandry, de tsy niôva ny raha jiaby, egny fô hatramin'ny fiantombohan'izô tontôlo izô aza.''5Zaré ré de minia manadino fô ny lagnitra sy ny tany de nisy avy tamin'ny rano ary tamin'ny alalan'ny rano, fotoagna ela fotoagna ela, 6nohon'ny didin'Andriamanitra, kè tamin'ny alalan'iré raha iré, no nandravàgna ny tontôlo tamin'izégny fotoagna izégny, tamin'ny tondra-drano. 7Fô avaizo ny lagnitra sy ny tany de natôkagna ho an'ny afo amin'ny alalan'io didy io foagna. Zaré ré de voatôkagna ho amin'ny andron'ny fitsaragna sy ny fandringanagna ny ôlogno ratsy fagnahy.8Ôka tsy ho adinoinaré, ry malala, fô ny indraiky andro amin'ny Tompo de karaha ny arivo taogna, kè ny arivo taogna karaha ny indraiky andro. 9Ny Tompo de tsy ela amin'ny fanatanterahagna iré fampanantenany, karahà zay volagnin'ny sanany ho fahelany. Fô ndraiky, Izy de maharitra aminaré. Tsy tiany hisy ho very anaré, fô mbô ho tônga amin'ny fibebahagna ny jiaby.10Na izégny aza, ho avy karahà ny mpangalatra ny andron'ny Tompo: Ny lagnitra de hanjavogna miaraka amin'ny feo mafy. Ny raha jiaby de ho main'ny afo, ké ny tany sy iré asa akô aminanjy de hambara. (Fagnamarihagna: Iré dika-teny sanany de mivaky karaha izô: ''Ny raha jiaby de ho main'ny afo, ké ny tany sy iré asa akô aminanjy de ho doragna avokoà.'')11Ké kô ho levogna karaha izô raha jiaby izô, de tôkony ho ôlogno magnano ahoagna anaré? Tôkony hiaigna amin'ny fahamarinagna sy ny fiainagna araka an'Andriamanitra anaré. 12Tôkony hanantegna kè hanafaingagna ny fiavian'ny andron'Andriamanitra anaré. Amin'izégny andro izégny, ny lagnitra de ho levon'ny afo, ké ny raha jiaby de hiempo amin'ny hafanagna be. 13Fô araka ny fampanantenagny, de miandry ny lagnitra vôvô sy tany vôvô atsika, zay hipetrahan'ny fahamarinagna.14Noho izégny, ry malala, satrià manantegna izégny raha izégny anaré, manaova ny tsara indrindra avy agny aminaré mbô tsy hisy pentigna sy tsy hanan-tsigny aké agnatrehany, am-piadanagna. 15Ké ndraiky koà, eritrereto ny faharétan'ny Tompontsika amin'ny famonjegna, karaha ny nisoratan'i Paoly rahalahy malalantsika taminaré, araka ny fahendregna zay namiagna ananjy.16 Paoly de mikoragna izégny raha izégny akô amin'ny taratasiny jiaby, zay misy raha sarotro takarigna. Ôlogna tsisy fahalalagna ké tsy miorigna no magnova iregny raha iregny, karaha ny hagnanaovany iré sôratra masina hafa foagna koà, ké mahatônga fahaverezagna ho an'ny tegnany.17Noho izégny, ry malala, satrià fantatraré izégny raha izégny, de tandremo ny tegnanaré mbô tsy ho voafandriky ny fitakin'ny ôlogna ratsy fagnahy ké ho very ny fahamarinagnaré. 18Fô mitomboà amin'ny fahasoavagna sy ny fahalalagna ny Tompontsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. Ho ananjy anie ny vôninahitra avaizo ké mandrakizay. Amena!

1 John

Chapter 1

1Zay hatramin'ny fiandohagna- zay efa regninay, zay efa hitanay tamin'iré masonay, zay efa nozahavanay, ké zay efa nokasihan'ny tagnanay- izègny de momba ny Koragnan'ny fiaignagna. 2Karaha izégny foagna koà, ny fiaignagna de nampahafantarigna, ké efa hitanay izégny, ké mijôro vavôlombelogno amin'izégny zahay. Zahay de magnambara aminaré ny fiaignagna mandrakizay, zay takô amin'ny Ray, ké zay efa nampahafantarigna anay.3Zay efa hitanay sy regninay de ambaranay aminaré foagna koà, mbô hanagnanaré fifandraisagna aminay foagna koà. Ny fifandraisagna misy aké aminay de amin'ny Ray sy amin'ny Zanany, Jesosy Kristy. 4Karaha izégny foagna koà, manôratra iré raha iré ho anaré zahay mbô ho tanteraka ny fifaliantsika. [Fagnamarihagna: Iré dika-vôlagna talôha sanany de mivaky karanjô: ''Ké manôratra iré raha iré zahay mbô ho tanteraka ny fifalianaré.'']5Zao no hafatra zay efa regninay avy taminanjy ké ambaranay aminaré: Andriamanitra de fahazavagna, ké akô Aminanjy de tsisy haizigna mihitsy. 6Kôfa mivôlagna atsika fô managna fifandraisagna aminanjy ké mandeha akô agnatin'ny haizigna, de mandainga atsika ké tsy magnano ny marigna. 7Kanefa kôfa mandeha akô amin'ny hazavagna atsika karaha Ananjy akô amin'ny fahazavagna, de managna fifandraisagna amin'ny tsiraikaraiky avy atsika, ké ny ràn'i Jesosy Zanany no magnadio antsika amin'ny fahotagna jiaby.8Kôfa mivôlagna atsika fô tsy manam-pahotagna, de mamitaka ny tegnantsika atsika, ké ny fahamarignana de tsy akô amintsika. 9Nefa raha manaiky iré fahontantsika atsika, zay de mahatoky sy marigna amin'ny famelagna iré fahotantsika kè magnadio antsika amin'ny tsy fahamarignana jiaby. 10Kôfa mivôlagna atsika fô tsy mbôla nanota, de managna Ananjy ho mpandainga, ké tsi akô amintsika ny teniny.
Chapter 2

1Anaka, manôratra iré raha iré zaho mbô tsy hanotanaré. Kanefa kôfa misy manota, de managna mpisôlo vava atsika miaraka amin'ny Ray, Jesosy Kristy, lay marigna. 2Izy no fagnavôtagna an'iré fahotantsika, ké tsy ny antsika foagna, fô ny an'izô tontôlo zô araiky manontolo foagna koà. 3Amin'izégny no ahafahantsika fô mahafantatra Ananjy atsika: kôfa mitandrigna iré didiny atsika.4Lay mikoragna hoe: ''Mahafantatra an'Andriamanitra zaho'', fô tsy mitandrigna iré didiny, de mpandainga, ké ny marigna de tsy akô aminanjy. 5Fô na zôvy na zôvy mitandrigna ny koragnany, marigna tokoà, de akô amin'izégny ologno izégny no nagnatanterahagna ny fitiavan'Andriamanitra. Amin'izégny no ahafantarantsika fô akô aminanjy atsika. 6Lay araiky zay mivôlagna fô mitoetra akô amin'Andriamanitra de tôkony andeha foagna koà zay karaha ny nandehanan'i Jesosy Kristy.7Ry malala, tsy manôratra didy vôvô ho anaré zaho, fô didy talôha zay efa nanagnanaré hatramin'ny fiandohagna. Ny didy talôha de ny vôlagna zay renaré. 8Fô manôratra didy vôvô ho anaré zaho, zay marigna akô amin'i Kristy sy akô aminaré, satrià ny haizigna de mandalo, fô ny fahazavagna marigna de efa mamiratra.9Lay araiky zay mivôlagna fô akô amin'ny mazava izy ké mankahala ny rahalahiny de akô agnaty haizigna hatramin'izô. 10Lay araiky zay mitia ny rahalahiny de mitoetra akô amin'ny mazava ké tsy hisy fotoagna hagnafitohigna ananjy. 11Fô lay araiky zay mankahala ny rahalahiny akô amin'ny haizigna de mandeha akô amin'ny haizigna; izy de tsy mahafantatra zay ombany, satrià ny haizigna de efa nahajamba ny masony.12Manôratra ho anaré zaho, ry zanaka malala, satrià iré fahotanaré de vôvela nohon'ny agnarany. 13Manôratra ho anaré zaho, ry ray, satrià fantatraré lay araiky avy amin'ny fiandohagna. Manôratra ho anaré zaho, ry zatovo, satrià noresenaré lay ratsy. Efa nanôratra ho anaré zaho, ry zaza madiniky, satrià anaré de mahafantatra ny Ray. 14Efa nanôratra ho anaré zaho, ry ray, satrià fantatraré lay avy amin'ny fiandohagna. Efa nanôratra ho anaré zaho, ry zatovo, satrià mafy anaré, ké ny koragnan'Andriamanitra de mipetraka akô aminaré, ké anaré de efa nandresy lay ratsy.15Aza mitia na an'izô tontôlo zô na iré raha aké aminanjy. Kôfa misy mitia an'izô tontôlo zô, de tsy akô aminanjy ny fitiavan'ny Ray. 16Fô ny raha jiaby akô amin'izô tontôlo zô-de ny filan'ny nôfo, ny filan'ny maso, ké ny fieboeboan'ny fiainagna-zay tsy avy amin'ny Ray fô avy amin'izô tontôlo zô. 17Zô tontôlo zô ndraiky fagniriany de mandalo. Fô na zôvy na zôvy managna ny sitrapôn'Andriamanitra de hitoetra mandrakizay.18Rankizy, itô no lera farany. Karaha ny efa renaré fô ho avy ny antiKristy, avaizo maro iré antiKristy zay efa tônga. Amin'izégny no ahafantarantsika fô itô no lera farany. 19Niala tamintsika zaré ré, kanefa tsy avy amintsika. Fô kôfa tamintsika zaré ré de nipitraka niaraka tamintsika. Fô rehefa niala zaré ré, de nampiseho fô tsy tamintsika.20Fô managna fagnosoragna avy amin'ilay Araiky Masina anaré, ké fantatraré jiaby ny marigna. [Fagnamarihagna: misy dikavôlagna hafa sanany vôvô zay mivaky hoe: ''Managna ny fahalalagna jiaby anaré.'' Ny dikavôlagna sanany talôha de mivaky hoe: ''Ké fantatraré ny raha jiaby.''] 21Tsy nanorata ho anaré zaho satrià anaré de tsy mahalala ny marigna, fô satrià fantatraré izégny ké tsisy lainga avy amin'ny marigna.22Zôvy no mpandaiga fô tsy lay araiky zay mandà fô i Jesosy no Kristy? Zay ôlogno zay de lay antiKristy, rehefa mandà ny Ray sy ny Zanaka izy. 23Tsisy ôlogno zay mandà ny Zanaka ké hanagna ny Ray. Na zôvy na zôvo magneky ny Zanaka foagna koà de managna ny Ray.24Fô ho anaré, ôka zay regninaré hatramin'ny fiandohagna hipetraka akô aminaré. Kôfa zay regninaré hatramin'ny fiandohagna no mipetraka akô aminaré, de hipetraka akô amin'ny Zanaka sy akô amin'ny Ray foagna koà anaré. 25Izégny no fampanantinagna namiagna antsika: de ny fiainagna mandrakizay. 26Efa nanôratra izégny raha izégny ho anaré zaho momban'iré zay hitôndra anaré amin'ny lalan-diso.27Fô ho anaré, lay hosotra zay noraisinaré avy taminanjy de hipetraka akô aminaré, ké anaré de tsy mila ôlogno mampianatra anaré. Fô karaha zay nampianarin'ny fagnosoragna anaré ny raha jiaby de marigna ké tsy lainga, ké karaha zay efa nampianarin'izégny anarè, de mipetraka akô Aminanjy. 28Avaizo, ry zanaka malala, mipetraka akô aminanjy, mbô rehefa miseho Izy, de hanagna fahasahiagna atsika ké tsy ho megnatra aké agnatrehany amin'ny fiaviany. 29Kôfa fantatraré fô izy no marigna, fantatraré fô zay jiaby magnano ny mety de teraka taminanjy.

Chapter 3

1Io karaha ny ino ny fitiavagna namien'ny Ray antsika, mbô hiantsoagna antsika hoe zanak'Andriamanitra, ké izégny atsika. Noho izégny antony izégny, zô tontôlo zô de tsy mahafantatra antsika, satrià tsy mahafantatra ananjy izégny. [Fagnamarihagna: Ny dika-vôlagna taloha de tsy misy hoe: ''Ké izégny atsika .''] 2Ry malala, zanak'Andriamanitra atsika avaizo, ké izégny de mbôla tsy nambara hoe ho karaha ny ino atsika. Atsika de mahafantatra fô rehefa miseho i Kristy, de ho karaha Ananjy atsika, satrià hahita Ananjy karaha Ananjy atsika. 3Ny jiaby zay managna izégny fahatokisagna momba ny ho avy mifôtotra aminanjy izégny de madio ny tegnany mbô hadio karaha Ananjy.4Zay jiaby manota de magnano zay tsy ara-dalàgna; fô ny fahotagna de tsy ara-dalàgna. 5Anaré de mahafantatra fô i Kristy de nambara mbô hagnala iré fahotagna, ké akô aminanjy de tsisy fahotagna. 6Tsisy ôlogno zay mitoetra akô aminanjy ké mbôla hanota hatragny. Tsisy ôlogno mbôla manota nahita ananjy na nahafantatra ananjy.7Ry zanaka malala, aza avela hisy ôlogno hamitaka anaré. Lay araiky zay magnano ny fahamarignana de marigna, karaha ny mahamarigna an'i Kristy. 8Lay araiky zay manota de avy amin'ny devoly, fô ny devoly de nanota hatragny am-piandohagna. noho izégny antony izégny ny Zanak'Andriamanitra de naseho, mbô hahafahany mamotika iré asan'ny devoly.9Na zôvy na zôvy naterak'Andriamanitra de tsy hanohy ny fahotagna satrià ny voa avy tamin'Andriamanitra de mitoetra akô aminanjy. Tsy afaka manohy ny fahotagna izy satrià naterak'Andriamanitra. 10Akô amin'izégny no hampisehoagna iré zanak'Andriamanitra sy iré zanaky ny devoly. Na zôvy na zôvy magnano ny marigna de tsy avy amin'Andriamanitra; na ny araiky zay tsy tia ny rahalahiny fiagna koà aza.11Fô izégny no hafatra zay efa renaré hatragny am-piandohagna: fô atsika de tôkony mifankatia, 12fô tsy karaha an'i Kaina, zay avy amin'ilay ratsy sy namono ny rahalahiny. Fô nahoagna izy no namono ananjy? Satrià iré asany de ratsy, ké ny an'ny rahalahiny de marigna.13Aza gaga, ry rahalahiko, kôfa mankahala anaré ny tany. 14Fantatsika fô efa niala tamin'ny fahafatesagna mankagny amin'ny fiainagna atsika, satrià tia an'iré rahalahy atsika. Zay tsy tia de mitoetra agny amin'ny fahafatesagna. 15Zay mankahala ny rahalahiny de mpamono ôlogno. Fantatraré fô tsisy mpanompo ôlogno managna fiainagna mandrakizay mitoetra akô aminanjy.16Amin'izégny no hahafantarantsika ny fitiavagna, satria Kristy nanôlotra ny aignany ho antsika. Atsika foagna kôa de tôkony manôlotra ny aintsika ho an'iré rahalahy. 17Fô na zôvy na zôvy managna ny haren'izô tontôlo izô, ké mahita ny fahasahiragnan'ny rahalahiny, kè magnakatogna ny fôn'ny fangorahany ananjy, amin'ny fômba karakôry no ipitrahan'ny fitiavan'Andriamanitra akô aminanjy? 18Ry zanako malalako, ôka atsika tsy hitia amin'ny koragnany na koà amin'ny vava, fô amin'ny asa sy fahamarinagna.19Avy amin'izégny no hahafantarantsika fô avy amin'ny fahamarinagna atsika, ké mampatoky ny fôntsika aké agnatrehany atsika. 20Fô kôfa magnameloka antsika ny fôntsika, Andriamanitra de maventy noho ny fôntsika, ké mahafantatra ny raha-jiaby Izy. 21Ry malala, kôfa tsy magnameloka antsika ny fôntsika, de managna fahatokisagna amin'Andriamanitra atsika. 22Na ino na ino angatahitsika de ho azontsika avy aminanjy, satrià atsika mitandrigna iré didiny sy magnano zay ankasitrahagna aké agnatrehany.23Izô no didiny: tôkony mino ny agnaran'ny Zanany Jesosy Kristy ké mifankatia atsika, karaha ny efa nagnomezany antsika izégny didy izégny. 24Ny araiky zay mitazogna iré didin'Andriamanitra de mitoetra akô aminanjy, ké Andriamanitra mitoetra akô aminanjy. Amin'izégny no hahafantarantsika fô izy de mitoetra akô amintsika, amin'ny Fanahy zay nagnamiany antsika.

Chapter 4

1Ry malala, aza mino ny fanahy jiaby. Fô ndraiky, mitsapa iré fanahy mbô hahita fô avy amin'Andriamanitra zaré ré, satrià mpaminany sandoka maro no efa niala tamin'izô tontôlo izô. 2Amin'izégny no ahafantaranaré ny Fagnahin'Andriamanitra-ny fanahy jiaby zay manaiky fô i Jesosy Kristy zay tônga nôfo de avy amin'Andriamanitra, 3ké ny fanahy jiaby zay tsy magnaiky fô Jesosy de tsy avy amin'Andriamanitra. De izégny ny fanahin'ny antiKristy, zay efa regninarè fô ho avy, ké avaizo de efa aketo an-tany. [Fagnamarihagna: misy dika-vôlagna talôha sanany de mivaky hoe: ''Ké ny fanahy jiaby zay tsy magnaiky fô i Jesosy tônga nôfo de tsy avy amin'Andriamanitra. Izégny de fanahin'ny antiKristy, zay efa regninarè fô ho avy, ké avaizo de efa aketo an-tany.]4Anaré de avy amin'Andriamanitra, ry zanaka malala, ké efa nandresy ananjy iré, satrià lay araiky zay akô aminaré de maventy mihoatra noho lay araiky zay taketo amin'izô tontôlo izô. 5Zaré ré de avy amin'izô tontôlo izô; noho izégny zay jiaby koragninjaré ré de avy amin'izô tontôlo izô, ké izô tontôlo izô de mitandregny anjaré ré. 6Avy amin'Andriamanitra atsika. Zay mahafantatra ny Tompo de maharegny antsika. Izy zay tsy avy amin'Andriamanitra de tsy maharegny antsiky. Amin'izégny no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinagna ndraiky fanahin'ny fahadisoagna.7Ry malala, ôka atsika hifankatia, fô ny fitiavagna de avy amin'Andriamanitra, ké zay jiaby mitia de naterak'Andriamanitra sy mahafantatra an'Andriamanitra. 8Ny ôlogno zay tsy mitia de tsy mahafantatra an'Andriamanitra, satrià Andriamanitra de fitiavagna.9Noho izégny ny fitiavan'Andriamanitra de nambara tamintsika, fô Andriamanitra de nandefa ny Zanany lahitôkagna ho an'izô tontôlo izô mbô ho velogno noho Izy atsika. 10Ôka amin'izégny fitiavagna izégny, tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra, fô ny nitiavany antsika, ké ny nandifasany ny Zanany lahy ho fagnavôtagna iré fahotantsika.11Ry malala, kôfa tia loatra antsika Andriamanitra, de tôkony hifankatia foagna koà atsika. 12Tsy mbôla nisy nahita an'Andriamanitra. Fô kôfa mifankatia atsika, de mipetraka akô amintsika Andriamanitra ké ny fitiavany de tanteraka akô amintsika. 13Amin'izégny no ahafantarantsika fô mipetraka akô aminanjy ké izy akô amintsika, satrià izy de nagnamia antsika ny sanany amin'ny Fagnahiny. 14Ké foagna koà, efa nahita atsika sy efa mijôro vavôlombelogno fô ny Ray de efa nandefa ny Zanany lalahy ho Mpamonjy an'izô tontôlo izô.15Na zôvy na zôvy magneky fô Jesosy de Zanaka lahin'Andriamanitra, de mitoetra akô aminanjy Andriamanitra ké izy akô amin'Andriamanitra. 16Atsika foagna koà de nahafantatra ké nino ny fitiavagna zay efa nanagnan'Andriamanitra ho antsika. Andriamanitra de fitiavagna, ké lay araiky zay mipetraka amin'izégny fitiavagna izégny de mipetraka akô amin'Andriamanitra, kè Andriamanitra de mipetraka akô aminanjy.17Noho izégny, izégny fitiavagna izégny de notanterahigna tamintsika, mbô hanagnantsika fahatokisagna amin'ny andron'ny fitsaragna, satrià karaha Ananjy, de karaha izégny foagna koà atsika také amin'itô tany itô. 18Tsisy tahotra akô amin'ny fitiavagna. Fô ndraiky, ny fitiavagna tanteraka de magnala ny tahotra, satrià ny tahotra de tsy maintsy miaraka amin'ny sazy. Fô lay araiky zay matahotra de tsy natô ho tanteraka akô amin'ny fitiavagna.19Mitia atsika satrià Andriamanitra nitia antsika voàlôhany. 20Kôfa misy ôlogno mivôlagna hoe: ''Tiako Andriamanitra'' nefa mankahala ny rahalahiny, de mpandainga izy. Fô lay araiky zay tsy mitia ny rahalahiny, zay hitany, de tsy afaka ny hitia an'Andriamanitra, zay tsy hitany. 21Ké, izégny foagna koa no didy koà zay anagnantsika avy aminanjy: Na zôvy na zôvy mitia an'Andriamanitra de tsy maintsy mitia ny rahalahiny foagna koà.

Chapter 5

1Na zôvy na zôvy mino fô i Jesosy no Kristy de naterak'Andriamanitra, ké na zôvy na zôvy tia ny Ray foagna koà de tia ny zanaka nateraka. 2Noho izégny no ahafantarantsika fô tiantsika iré zanak'Andriamanitra: Kôfa tia an'Andriamanitra sy manatanteraka iré didiny atsika. 3Satrià izégny no fitiavagna ho an'Andriamanitra: de ny fagnatanterahantsika iré didiny. Ké iré didiny de tsy mavesatra.4Fô ny ôlogno jiaby zay naterak'Andriamanitra de mandresy an'izô tontôlo izô. Ké izégny de fandresegna zay efa nandresy an'izô tontôlo izô: ny finoantsika. 5Zôvy lay araiky zay mandresy an'izô tontôlo izô? Lay araiky zay mino fô i Jesosy de Zanak'Andriamanitra.6Izégny de lay Araiky zay tônga tamin'ny rano sy rà: Jesosy Kristy. Izy de tônga tsy tamin'ny rano foagna, fô tamin'ny rano sy rà. 7Fô misy telo zay mijôro vavôlombelogno: 8ny Fanahy, ny rano, kè ny rà. Iré telo iré de mifangnaraka. [Fagnamarihagna: Ny dika-volagna talôha sanany de mivaky karaha zô: ''Fô misy telo zay mijôro vavôlombelogno agny an-dagnitra: ny Ray, ndraiky Koragna, ké ny Fanahy Masina; ké iré telo iré de araiky. Ké misy telo zay mijôro vavôlombelogno aketo ambonin'ny tany: ny Fanahy, ny rano, ké ny rà; ké iré telo iré de karaha ny araiky.'' Na izégny aza, iré dika-vôlagna tsara indrindra de tsy mivaky karaha izégny.]9Kôfa mandray ny fijoroagna vavôlombelon'ny ôlogno atsika, de ho maventy kokoà ny fijoroàgna vavôlombelon'Andriamanitra. Fô ny fijoroanà vavôlombelon'Andriamanitra de izô: izy de mijôro vavôlombelogna mahakasika ny Zanany. 10Na zôvy na zôvy mino ny Zanak'Andriamanitra de managna fijoroàgna vavôlombelogna aké aminjaré tegnany. Zay tsy mino an'Andriamanitra de magnano Ananjy ho mpandainga, satrià izy de tsy nino ny fijoroàgna vavôlombelogna zay efa namian'Andriamanitra mahakasika ny Zanany.11Ké ny fijoroàgna vavôlombelogna de izô: Andriamanitra de nagnamia antsika fiainagna mandrakizay, ké izégny fiainagna izégny de akô amin'ny Zanany. 12Lay araiky zay managna ny Zanaka de managna ny fiainagna. Ny ôlogno zay tsy managna ny Zanak'Andriamanitra de tsy managna fiainagna.13Efa nanôratra iréo raha iréo ho anaré zaho mbô hahafantaragna fô managna ny fiainagna mandrakizay anarè- ho anaré zay mino ny agnaran'ny Zanak'Andriamanitra. 14Karaha izégny foagna koà, izô no fifagnekiagna zay anagnantsika aké agnatrehany, fô na ino na ino angatahantsika araka ny sitrapôny, de maharegny antsika Izy. 15Karaha izégny foagna koà, kôfa fantantsika fô maharegny antsika Izy- na ino na ino angatahantsika Aminanjy- de fantantsika fô azontsika zay jiaby nangatahantsika taminanjy.16Kôfa misy ôlogno araiky mahita ny rahalahiny magnano fahotagna zay tsy miteraka fahafatesagna, tsy maintsy mivavaka izy, ké Andriamanitra de hagnamia fiainagna ho ananjy. Zaho de mampitaha iré zay managna fahotagna tsy miteraka fahafatesagna. Misy fahotagna zay miteraka fahafatesagna; tsy mivôlagna zaho hoe tôkony hivavaka amin'izègny izy. 17Ny tsy fahamarinagna jiaby de fahotagna, nefa misy fahotagna tsy miteraka fahafatesagna.18Fantatsika fô na zôvy na zôvy naterak'Andriamanitra de tsy manota. Nefa lay araiky zay naterak'Andriamanitra de miaro ny tegnany, ké ny ratsy de tsy afaka ny ahakasika ananjy. 19Fantantsika fô avy amin'Andriamanitra isika, ké zao tontolo izô de mitoetra akô amin'ny ratsy.20Kanefa fantantsika fô ny Zanak'Andriamanitra de efa tônga ké efa nagnamia antsika fahazavan-tsaigna mbô ahafantarantsika lay araiky zay tegna marigna. Karaha izégny foagna koà, atsika de akô amin'ilay araiky zay marigna, akô amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marigna ké fiainagna mandrakizay. 21Anaka, arovy amin'iré sampy ny tegnanaré.

2 John

Chapter 1

1Avy amin'ny lôholona ka hahatrany amin'ny viavy voafidy sy iré zanakany, izay tiáko amin'ny fahamarinagna - ary tsy zaho foagna, fô iré jiaby izay nahafantatra ny marigna foagna koà - 2nohon'ny fahamarinagna izay mitoetra akô anatintsika ké hiaraka amitsika mandrakizay. 3Ho amitsika ane ny fahasoavagna, ny famindram-pô, ndraiky fiadanagna avy amin'Andriamanitra Ray sy avy amin'i Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinagna sy fitiavagna.4Faly indrindra zaho satrià nahita ny sasany amin'iré zanakanahy mandeha amin'ny fahamarinagna, karaha ny nandraisantsika izégny didy izégny avy tamin'ny Ray. 5Ké mangataka aminà zaho, raviavy - tsy karaha ny manôratra didy vaovao aminà zaho, fô izay nananantsika letrin'ny vôlôhagny - de ny tôkony hifankatiavantsika samby antsika. 6Izao no fitiavagna, de ny mbô handehanantsika karaha irè didy. Izao no didy, karaha ny regninarè letrin'ny vôlôhagny, de tôkony handehananarè amin'izègny.7Fô be irè mpamitaka efa lasana agny amin'izao tontôlo izao, ary zare ré de tsy magneky fô Jesosy Kristy de tônga tamin'ny nôfo. Izégny no mpamitaka sy antikristy. 8Zahavo ny tegnanaré, mbô tsy hahavery irè raha izay efa vitantsika jiaby, fô mbô handraisanaré valim-pitia feno.9Na zôvy na zôvy mandeha aké alôha ké tsy mitoetra akô amin'ny fampianaran'i Kristy de tsy managna an'Andriamanitra. Ilay araika izay mitoetra akô amin'ny fampianaragna, izégny araka izégny de managna ny Ray sy ny Zanaka. 10Kô misy ôlogno tônga aké aminà ké tsy mitôndra izégny fampianaragna izégny, de aza mandray ananjy ho akô an-tragnonà ary aza magnotsafa ananjy. 11Fô izay magnotsafa ananjy de miombona amin'ny ratsy atony.12Managna raha maro ho soratagna aminarè zaho, kanèfa zaho tsy magniry hanôratra izégny amin'ny taratasy sy ranomainty. Na izégny anefa, manantegna ny ho tônga agny aminaré zaha ké hikoragna mivantana, mbô ho tanteraka ny fifaliànarè. 13Magnano vilôma anà irè zanaky ny rahavavinà voafidy.

3 John

Chapter 1

1Izaho lohologna mamangy an'i Galo malala, ilay tiáko amin'ny fahamarinagna. 2Ry malala, mivavaka zaho mbô hambinina amin'ny raha jiaby anaré ké ho salama, karaha ny hanambinagna ny fanahinà. 3Fô tegna nifaly zaho kôfa nisy rahalahy tônga ké nijoro vavolombelogno tamin'ny fahamarinanà, karaha ny andehananà amin'ny marigny. 4Tsy managna afaliagna bè karan-tô zaho, de ny naharegny fô mandeha amin'ny fahamarinagna irè zanakanahy.5Ry malala, magnano asa matoky anà na ino na ino asa atonà ho an'iré rahalahy sy irè vahigny, 6izay mijoro vavolombelogno ny fitiavanà také anatrehan'ny fiangonagna. tsara no nanonà kô alefanà kô anonà mandehà amin'ny fômba mendrika an'Andriamanitra zarè ré, 7satrià nohon'ny anarana no nialany, tsy nitôndra na ino na ino avy tamin'iré Jentilisa. 8Noho izégny atsika de tôkony handray ny karaha izégny, mbô ho mpiara-miasa amin'ny fahamarinagna atsika.9Nanôratra raha tamin'ny fiangonagna zaho, kanéfa Diotrefa, ilay te-ho lôhany aminjaré ré, de tsy nandray anay. 10Noho izégny kô tônga zaho, de ho tsaroàko irè asa izay natony, ny fômba nivolanagny raha mandreraka manôhitra anay miaraka amin'ny korana ratsy. Tsy afa-pô tamin'iré asa, de tsy nandray iré rahalahy izy. nanakana iré izay te-hagnano karaha izégny izy kè nanôra ananjy iré hiboaka ny fiangonana.11Ry malala, aza mangalatahaka izay ratsy fô izay tsara. Ilay raika izay magnano ny tsara de an'Andriamanitra; ilay raika izay magnano ny ratsy de tsy nahita an'Andriamanitra. 12Ny jiaby sy ny fahamarinagna de vavolombelogna magnambara an'i Demetrio. Izahay foagna koà de mijoro vavolombelogna, ary hainao fô marigna ny fagnambaranay.13Nanana raha maro ho soratana aminaré zaho, fô tsy magniry hanôratra irè aminaré amin'ny penina sy ranomainty zaho. 14Kanefa zaho manantegna hahita anaré tsy ho éla, kè hikoragna mivantana atsika. 15Ho aminaré ané ny fiadanana. Magnano vilôma anà irè sakaiza atô. Vilôma agny amin'iré sakaiza tsiraikaraika araka ny anarany avy.

Revelation

Chapter 1

1Itô ny fagnambaragna an'i Jesosy Kristy izay namian'Andriamanitra ananjy hampisehoàna an'iré mpanômpony ny raha tsy maintsy hitranga. Nampahafantarigny izégny tamin'ny alalan'ny fandefasagny ny anjeligny ho an'i Jaona mpanômpony. 2Jaona de nagnamarigna ny mômban'ny tenin'Andriamanitra sy iré fijoroagna vavolombelogno mahakasiky an'i Jesosy Kristy, sy iré raha jiaby hitagny. 3Sambatra izy izay mamaky amin'ny feo ambôny, ary izay mitandregny ny tenin'izegny faminaniagna izégny, sy izay mitandrigna izay voasôratra akô aminanjy, satrià efa marigny ny fotoagna.4Jaona nakagny amin'iré fiagonagna fito tagny Asia: Ho aminaré ané fahasoavagna sy ny fiadanagna avy amin'ilay avaizo, sy talôha, 5ary avy amin'i Jesosy Kristy, izay vavolombelogno marigna, lalahimatoa amin'ny naty, maventiben'ny mpanjakan'ny tany. Ho an'ilé makatià antsika sy nangala antsika tamin'iré fahatantsika tamin'ny ràny— 6Izy de nagnano antsika ho fanjakana, mpisôrogno ho an'Andriamanitrany sy babany— ho Ananjy anié ny voninahitra sy ny fahifagna mandrakizay dorià. Amena.7Indro, avy amin'ny rahogna Izy; ary ny maso jiaby hahita Ananjy, na de iré nanomboko Ananjy aza. Ny firenena jiaby ambônin'ny tany hitomagny Ananjy. Ià, Amena. 8Za no Alfa sy Omega,'' Aozy ny Tompo Andriamanitra, ''ilay avaizo, sy talôha, ary ho avy, de lay Tsitoha.'' (Fanamarihagna: ny dikan-teny hafa talôha de mivaky karan-jô: ''Za no Alfa sy Omega, ny fiandohagna sy fiafaragna,'' aozy ny Tompo Andriamanitra.9Zaho, Jaona___ralahinare sy ilay raika zay nirasa taminare tagnatin'ny fijaliagna sy fanjakagna ary ny faharaitagna akô Jesôsy kristy___de taka amin'ny nôsy atô hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroagna vavolombeloga ny mikasika an'i Jesôsy. 10Za de nindôsin'ny Fagnahy tamin'ny andron'ny Tompo. Naregny feo mahery karaha ny trompaitra tavafarako za. 11Ngnano izegny hoe: ''Soraty akô amin'ny boky zay hitanà, koa alifaso agny amin'ire fiangonagna fito___ho an'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia.''12Nizaha ny manodidigna za nitady hoe feon-jôvy izegny nivôlagna taminahy, ary ra nitodika za de nahita fagnanôvan-jiro vôlamaina fito. 13Ary teo antaigniantaignian'ny fagnanôvan-jiro nisy anankiray karaha ny Zanak'ôlo, nagnatô akanjo lava tonga hatragny amin'ny tongony, ary sentiry vôlamaina manodidigna ny tratrany.14Ny lôhany sy ny vôlony de fotsy karaha vôlon'ondry__fotsy karaha rano mandry, ary ny masony karaha lailanafo. 15Ny tongony mangilatra karaha varahagna, karaha varahagna voadio teo amin'ny laforo, ary ny feony karaha rano be mikoriagna. 16Ary nanagna kintagna fito tan-tagnany ankavanagna Izy, ary sabatra roa laila maragnitra nivoàka avy tam-bavany. Ny tarehiny de nazava karaha masoandro kôfa miraidaraida.17Kôfa nahita Ananjy za, de lavo teo amin'ny tongony karaha ôlo maty. Nanendry za tamin'ny tagnany ankavanagna Izy kay nagnano hoe: "Aza matahotra. Za no voalôhany sy farany, 18ary lay raika zay velogna. Aifa maty Za, fô indro, velogna mandrakizay! Ary Za managna ny fagnalahidin'ny fafataisagna sy ny Fiainagna tsy hita.19Noho izegny soraty zay hitanô, zay avaizo, sy zay hitranga avafaran'izô. 20Karaha zava-miafigna mikasika ire kintagna fito zay hitanô teny an-tagnana ankavagnako, sy ire fagnanôvan-jiro vôlamaina fito: "Ny kintagna fito de ire anjelin'ny fiangonagna fito, ary ny fanôvan-jiro fito de ire fiangonagna fito.''

Chapter 2

1Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna aka Efesosy hoe: "Ireto ny teny avy amin'ilay raika zay mitazogna ire kintagna fito amin'ny tagnana ankavagnany ary mandaiha eo amin'ire fagnanôvan-jiro vôlamaina fito, 2"Fantako zay aifa vitanà sy ny asa mafinô ary ny fiaraitana maharitra. Fantako fô tsy afaka handefitra amin'ny ôlon-dratsy anô. Fantako fô nitsapaina ire zay mivôlagna azy ire ho apostoly, naifa tsy izy, ary hitanô izy ire fô sandoka.3Fantako fô managna faraitagna anô, ary nijaly mafy nohon'ny amin'ny agnarako, ary tsy nilavo lefogna anô. 4Naifa manôhitra anô za satrià namaila ny fitiavana voalôhany anô. 5Tsarovy noho izegny ny toeragna zay nalavo anô. Mibebaha ary magnanôva ire raha zay natônô voalôhany. Fô ra tsy mibebaka anô, de avy agny aminô za ary agnala ire fanôvan-jironô amin'ny fitoerany.6Kanaifa zao no atônô: ''Tsy tianô ny raha vitan'ny Nikolaita, zay halako ihany koà. 7Oka zay manan-tadigny hitandregny zay lazain'ny Fagnahy ho an'ire fiangonagna. Ho an'ilay raika zay maresy de hamiako alalagna hihinagna ny avy amin'ny kakazon'ny fiainagna, zay aka amin'ny paradisan'Andriamanitra.'''''8Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna agny Smyrna hoe: ''Ireto ny tenin'ilay raika zay voalôhany ary farany, lay raika zay aifa maty naifa velogna indray: 9''Fantako ire fahoriagnanô sy ny fahantranô, naifa manan-kariagna anô. Fantako ny fivolagnan-dratsy ho an'ire zay mivôlagna ny taigniàny fô Jiosy, naifa tsy izy. Synagogan'i Satana izy ire.10Aza matahotra ny amin'izay aifa hiaraitanô. Indro! Ny devoly de hamarignia ny sasany aminare agny amin'ny tragnomaizignia mbô ho tsapaignia anare, ary hijaly mandritry ny fôlo andro anare. Matokia mandra-pahafaty, kay hamiako anare ny satro-boninahitry ny fiainagna. 11Zay manan-tadigny ôka izy hitandregny zay lazain'ny Fagnahy ho an'ire fiangonagna. Lay raika zay maresy de tsy ho maratran'ny fafataisagna faharoa.'''''12Soraty ho an'ny anjelin'ny fiagonagna agny Pergamosy hoe: ''Ireto ny tenin'ilay raika zay managna lefogna roa laila: 13''Fantako zay hipitrahana, de aka amin'ny hitoeran'ny sezy fiandrianan'i Satana. Ary avaizo mitagna mafy ny agnarako anô. Fantako fô tsy nandà ny finoagnana ny amiko anô, na de tamin'ire andron'i Antipasy vavolombeloko aza, zay natoky Za, zay nivonignia teo aminare, takô amin'ny fonaignan'i Satana.14Fô manandra-volagnina hely amina Za: ''Misy sanagny aminare mitagna mafy ny fampianaran'ny Balama, zay nampianatra an'i Balaka hamaitraka fagnafitohinagna eo agnatraihan'ny zanak'Israely, mbô hinanan'izy ire hanignia natô sorogna ho an'ny sampy ary ho fijangajangagna. 15Karan-jagny ihany, misy sanagny aminare zay mitagna mafy ny fampianaran'ire Nikolaita.16Mibebaha, noho izegny! Fô ra tsy izegny, de ho tônga faingiana agny aminare Za, ary hifagnandrignia amin'izy ire za miaraka amin'ny lefon'ny vavako. 17Oka zay manan-tadigny hitandregny zay lazain'ny Fagnahy ho an'ire fiangonagna. Ho an'ire zay maresy, hamiako ny sanagny amin'ire mana miafignia, ary hamiako vato fotsy miaraka amin'ny agnaram-bôvô voasôratra eo amin'ny vato, agnarana zay tsy fantatr'ôlo afa-tsy zay mandray ananjy ihany.'''''18Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna akô Tyatira hoe: 'Ireto ny tenin'ny Zanak'Andriamanitra, zay managna maso kara lailafo ary tongotra kara varahagna mangilatra: 19''Fantako zay vitanô: Ny fitiavana sy ny finoagnanô sy ny fanompoagnanô ary ny faraitanô. Fantako fô zay vitana farany de baitsaka noho zay vitanô voalôhany.20Kanaifa zao no hanohairako anô: Leferinô lay viavy Zezebela, zey magnantso ny taigniany ho mpaminany vavy. Amin'ny alalan'ny fampianarany de mamitaka ire mpanompoko izy mbô hijangajanga sy hihinagna anignia atô sôrogna ho an'ny sampy. 21Namia fotoagna mbô hibaibahany Za, kanaifa tsy mety hibaibaka ny amin'ny fijangajangany izy.22Indro! Hatôko marary eo ampandriagna izy, ary ire zay mijangajanga miaraka aminy de hampijaliky mafy, ra tsy mibaibaka amin'ny asa ratsin'ilay viavy izy ire. 23Hivoniky ho foaty ire zanany, ary ire fiangonagna jiaby halala fô Za lay mahita fieritreretagna sy fihetseham-pô. Hamiako araka ny asanare tsiraikiraikia avy anare.24Fô ny aminare zay sisa akô Tyatira, zay jiaby tsy mitagna izao fampianaragna izao, sy tsy mahay zay antsôvin'ny sanagny hoe sain-dalin'ny Satana__zao no volagniky aminare hoe: ''Tsy vaisariky aintagna hafa anare.''25 Na izegny aza, tsy maintsy mitazogna mafy ny finoagnanare anare mandra-piaviako.26Lay raika zay maresy sy zay magnano zay aifa vitako hatramin'ny farany, de hamiako ananjy ny fahefagna amin'ny firenegna jiaby. 27'Hanapaka eo amin'izy ire miaraka amin'ny tehim-by izy, karaha fanorotoroagna vilagny tany no hanapotaihagna azy ire.' 28Karaha nandraisako avy amin'ny Babako, no hagnomaizako ananjy kintagna maraignia ihany koa. 29Oka lay raika zay manan-tadigny hitandregny zay lazain'ny Fagnahy ho an'ire fiangonagna.'''''

Chapter 3

1Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna agny Sardisy hoe: 'Zao no tenin'ilay mitàgna ire Fagnahy fiton'Andriamanitra sy ire kintagna fito. ''Fantako zay natônô. Malaza ho velogna anô, naifa anô maty. 2Mifohaza ary hatanjaho zay tavaila, fô aifa ho foaty, satrià tsy hitako tantairaka ire asanô eo imason'Andriamanitro.3Tadidio, noho izegny, zay niraisinare sy regninare. Ike izany, ary mibaibaha. Fô ra tsy mifôha anare, de ho avy kara mpangalatra Za, ary tsy ho fantatrare ny laira haviako aminare. 4Fô misy agnaran'ôlo vitsivitsy agny Sardisy zay tsy nandoto ny ankanjon'izy ire. Handaiha hiaraka aminahy izy ire, magnatô akanjo fotsy, satrià mendrikia.5Lay raika zay maresy de ho agnatôvagna akanjo fotsy, ary tsy hamafa ny agnarany akô amin'ny Bokin'ny Fiainagna mihitsy Za, ary hilaza ny agnarany eo agnatraihan'ny Babako, sy eo agnatraihan'ire anjely. 6Oka zay manan-tadigny hitandregny zay lazain'ny Fagnahy amin'ire fiangonagna.'''''7Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna any Filadelfia hoe: 'Zao no tenin'ilay raika zay masignia sy marignia _izy no mitazogna ny fagnalahidin'i Davida, izy no manôkatra ary tsy misy na izôvy na izôvy magnidy, izy no magnidy ary tsy misy na izôvy na izôvy afaka manôkatra. 8''Fantako zay vitanare. Indro, namaitrahako tamiagna misôkatra eo agnatraihanare zay tsy afaka afodin-jôvy na zôvy. Fantako fô managna hery hely anare, kay nagneky ny teniky ary tsy nandà ny agnarako.9Indro! Ire zay an'ny synagogan'ny Satana, ire zay mivôlagna fô Jiosy izy ire naifa tsy izy; fô mandaingia kôza izy ire. Hatôko tônga kay hiondrika eo an-tongotranô izy ire, ary ho avy izy ire mbô hahay fô nitià ana Za. 10Satrià aifa nitandrignia ny didiko tamin'ny faharaitagna anare, de hiaro anare amin'ny andro fitsapagnia zay aifa ho avy amin'izao tontolo jiaby zao ihany koa Za, mbô hitsapa ire zay miaigna eo ambônin'ny tany. 11Ho avy tsy ho aila Za. Tano mafy zay hanagnanô mbô tsy hisy hafaka hagnala ny satro-boninahitrao.12Atôko andry eo amin'ny tempolin'ny Andriamanitro zay mandresy, ary tsy hiala eo mihitsy izy. Ho soratako eo aminy ny agnaran'Andriamanitro, lay agnaran'ny tanàgnan'ny Andriamanitro (lay Jerosalema vôvô, zay mirôrogna avy akagny an-dagnitra avy amin'Andriamanitro), sy ny agnarako vôvô. 13Oka zay manan-tadigny hitandregny zay lazain'ny Fagnahy amin'ire fiangonagna.'''''14Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna agny Laodikia hoe: ''Zao no tenin'ny Amena, lay vavolombelogna matoky sy marignia, lay mpanapaka ny zava-boaarin'Andriamanitra. 15''Fantako zay natônare, ary tsy mangatsiaka na mafana anare. Magniry za mbô ho mangatsiaka na mafana anare! 16Noho izegny, satrià anare matimaty_sady tsy mafana no tsy mangatsiaka_de aifa haloan'ny vavako anare.17Fô hoy anare hoe: 'Manan-kariagna za, nanagna fitaovagna maro, kay tsy mila na ino na ino.' Saingy tsy fantatrare fô anare no taigna ory, mampahinakinaka, mahantra, jamba ary mibolaka. 18Hitandrignaiso ny torohevitro: Mividiana vôlamaina voadio tamin'ny afo aminahy mbô ho tônga mpanan-kariagna anare, ary akanjo fotsy mangilatra mbô ho afaka mampitafy ny taignianare anare kay tsy hampiseho ny haigniatry ny fibolahanare, ary hagnôsitra ny masonare mbô hisôkatra.19Ampiofaniko ny tsiraikaraika avy zay tiako, ary hampianariko azy ire ny fomba tôkony hiaignan'izy ire. Noho izegny, mazotoa ary mibaibaha. 20Indro, mitsangagna eto amin'ny varavaragna za ary mandondogna. Raha misy maregny ny feoko kay manôkatra ny tamiagna, de ho avy akô an-dragnony Za kay hihinagna miaraka aminy, ary izy miaraka aminahy.21Lay raika zay mandresy, hamiako azy ny zo hipaitraka miaraka aminà ake amin'ny sezy fiandriagnako, karaha nandreseko koa ke nipaitraka niaraka tamin'ny Raiko take amin'ny sezy fiandrianagna. 22ôka zay manan-tadigny hitandregny zay vôlagnin'ny Fagnahy amin'are fiangonagna.'''''

Chapter 4

1Tavafaran'izegny raha zany de nizaha za, ary nahita tamiagna raika nisôkatra teny aminn'ny lagnitra. Ny feo voalohany zay regniky de niraisaka taminahy karaha ny trompetra, nagnano hoe: ''Miakara ety, ary ho asehoko anô zay tsy maintsy hitranga avafaran'ire raha ire.'' 2Nisy fotoagna za voatariky ny Fagnahy, ary nahita fô nisy sezy fiandrianagna nipaitraka teny amin'ny lagnitra, nisy ôlo nipaitraka tambônin'izegny. 3Lay raika zay nipaitraka tambôniny de miendrika tahaka ny jaspa sy karneola. Nisy avana nagnodidigna ny sezy fiandrianagna. Lay avana de karaha emeraoda.4Nisy sezy fiandrianagna aifatra amby roapolo nagnodidignia lay sezy fiandrianagna, ary lohologna aifatra amby roapolo no nipaitraka teo ambônin'ire sezy fiandrianagna, nagnatô lamba fotsy, niaraka tamin'ny satro-boninahitra vôlamaina teny amin'ny lôhan'izy ire. 5Avy tamin'ilay sezy fiandrianagna no nisy tsela-pahazavagna, kotroka, ary kotro-baratra. Nisy jiro fito nirehitra teo agnatraihan'ny sezy fiandrianagna, jiro zay fagnahy fiton'Andriamanitra6Teo alohan'ny sezy fiandrianagna de nisy ranomasigna fitaratra, karaha kristaly. Ire raha-managn'aignia aifatra de teo ategnategnan'ny sezy fiandrianagna sy nagnodidigna zany, feno maso, teo agnatraihany sy tao an-dakambôhiny.7Lay raha-managn'aigna voalôhany de tahaka ny liona, lay raha-managn'aigna faharoa karaha ny zanaka ahomby, lay raha-managn'aigna fahatelo de karaha ôlogna, ary lay raha-managn'aigna fahaifatra karaha ny voro-mahery manidigna. 8Ire raha-managn'aigna aifatra de samy managna elatra enigna avy, feno maso ny ambôny sy ny ambany. Andro sy aligna izy ire de tsy mijanogna mivôlagna hoe: ''Masigna, masigna, masigna lay Tompo Andriamanitra Tsitoha zay nisy, sy misy, ary mbôla ho avy.''9Na oviagna na oviagna ire raha-managn'aigna de hagnamia voninahitra, laza, ary fisaoragna an'ilay raika zay mipetraka eo amin'ny sezy fiandrianagna, lay raika zay velogna mandrakizay doria, 10ire lôhôlogna aifatra amby roapolo de nampiankôhitra ny tegnan'izy ire eo agnatraihan'ilay raika zay mipaitraka eo amin'ny sezy velogna mandrakizay doria izy ire, ary nanôraka ny satro-boninahitr'izy ire take agnatrehan'ny sezy fiandrianagna, mivôlagna hoe: 11''Mendrika anô, ry Tomponay sy Andriamanitray, handray ny vôninahitra sy ny laza ary ny hery. Fô ana no namorogna ny raha jiaby, ary tamin'ny alalan'ny sitrapôna, de nisy izy ire ary nohariagna.''

Chapter 5

1Ary nahita ny tagnana ankavanagnan'ilay raika zay nipaitraka take amin'ny sezy fiandrianagna za, horonan-taratasy voasôratra eo agnatrehany sy akô avafara. Ary nofihezignia tamin'ny tombo-kase fito zany. 2Nahita anjely mahery nagnambara tamin'ny feo mafy za, nivôlagna hoe: ''Zôvy no mendrika ny hanokatra ny horonan-taratasy ary hamoha ny tombo-kasen'izany?''3Tsy misy ôlogno avy an-dagnitra na eto an-tany na ambanin'ny tany ka afaka hanôkatra ny horonan-taratasy na hamaky zany. 4Nitomagny mafy za- satria tsy nisy ôlogno hita mendrika ny hanôkatra ny horonan-taratasy na hamaky zany. 5Kanaifa raika tamin'ire lôhôlogno nivôlagna hoe: ''Aza mitomagny. Indro! Lay lion'ny fokon'i Joda, lay solofon'i Davida, de nandresy. Afaka ny hanôkatra ny horonan-taratasy sy ire tombo-kase fito izy.6Nahita zanak'ondry mitsangana ake agnelagnelan'ny sezy fiandrianagna sy ire raha-managn'aigna aifatra ary ake agnivon'ire lôhôlogno za. Karaha ny hoe ôlogno novonoigna izy. Nanagna tandroka fito sy maso fito izy; izy ire no fagnahy fiton'Andriamanitra nalefa naneragna ny tany. 7Nandaiha izy ary nalaka lay horonan-taratasy teny amin'ny tagnana ankavanagnan'ilay raika zay nipaitraka take amin'ny sezy fiandrianagna.8Kôfa nalain'ilay Zanak'ondry lay horonan-taratasy, ire raha-managn'aigna aifatra sy ire lôhôlogna aifatra amby roapolo de nampiondrika ny tegnan'izy ire take agnatrehany. Samy nanagna lokanga sy lasety vôlamena feno emboka magnitra avy ny tsiraikaraika tamin'izy ire, zay vavak'ire mpino.9Nihira hira vôvô izy ire: ''Mendrika ny malaka an'ilay horonan-taratasy ana ary hanôkatra ny tombo-kasen'izany. Fô ana de novonoigna, ary tamin'ny rànao no nividianagna an'ire ôlon'Andriamanitra avy tamin'ny foko, fivôlagna, ôlogno, ary firenegna jiaby. 10Natônô fanjakagna sy mpisorogna izy ire mbô hanompo an'Andriamanitra, ary hanjaka eto an-tany.''11Avy ake za de nahita sy naregny feon'anjely maro nanodidignia ny sezy fiandrianagna sy ire raha-managn'aigna ary ire lôhôlogno. Ny fitambaran'izy ire de aman'aligna aligna. 12Nivôlagna tamin'ny feo mafy izy ire hoe: ''Mendrika anie lay Zanak'ondry zay novonigna mbô handray fahaifana, haregna, fahendregna, hery, laza, vôninahitra, ary dera.''13Naregny ire raha voaforogna jiaby zay tany an-dagnitra sy teto an-tany ary an-dranomasigna za - ny raha jiaby takô anatin'ire-nivôlagna hoe: ''Ho an'ilay raika zay mipaitraka ake amin'ny sezy fiandrianagna sy ho an'ilay Zanak'ondry, anie ny dera, laza, ny vôninahitra, ary ny fahefagna handidy, mandrakizay doria.'' 14Ire raha-managn'aigna aifatra, nivôlagna hoe: ''Amena!'' Ary ire lôhôlogno niondrika sy nivavaka. [Fagnamarihagna: Ny sanany amire dika-vôlagna talôha de mivaky hoe: ''Ire lôhôlogna roa amby aifapolo de niondrika sy nanômpo an'ilay zay velogna mandrakizay doria.'']

Chapter 6

1Kôfa nanôkatra ny raika tamin'ire tombo-kase fito ny Zanak'ondry de nizaha za, ary naregny ny raika tamin'ire raha-managn'aigna aifatra tamin'ny feo karaha ny kotroka za nivôlagna hoe: ''Avia! 2Nizaha za ary nisy soavaly fotsy take. Ny mpitaingina zany de nitazogna tsipika, ary nomegna satro-boninahitra izy. Nivoaka toy ny mpandresy izy mbô handresy.3Kôfa nanôkatra ny tombo-kase faharoa ny Zanak'ondry, de naregny ny raha-managn'aigna faharoa za nivôlagna hoe: ''Avià!'' 4De nisy soavaly hafa nivoaka-mirehitra mena. Ny mpitaingigna izegny no namiagna alalagna hagnala ny fiadanagna amin'ny tany, mbô hifamono ny ôlony. Io mpitaingigna io de namiagna lefogna maventy.5Kôfa nanôkatra ny tombo-kase fahatelo ny Zanak'ondry, de naregny ny raha-managn'aigna fahatelo za nivôlagna hoe: ''Avià!'' Nahita soavaly mainty za, ary ny mpitaingigna zegny de natàgna mizàna vôlagna an-tagnany. 6Naregny karaha ny feo tamin'ny raha-managn'aigna aifatra za nivôlagna hoe: ''Ny vary eran'ny fatram-bary ho an'ny denaria raika, ary ny hordea in-telon'ny fatram-bary ho an'ny denaria raika. Fô aza manimba ny menaka sy ny divay.''7Kôfa nanôkatra ny tombo-kase fahaifatra ny Zanak'ondry, de naregny feon'ny raha managn'aigna za nivôlagna hoe: "Avià! 8De nahita sôvaly mahià za. Ny mpitikina izegny, de nantsôvignia hoe Fafataisagna, ary ire Fasagna de nagnaraka ananjy. Namiagna fahefagna amin'ny ampahaifatry ny tany izy ire, mbô hamono amin'ny lefona, silôgna sy aretignia, ary amin'ire bibidian'ny tany.9Kôfa nanôkatra ny tombo-kase fahadimy ny Zanak'ondry, de hitako tambany alitara ire fagnahin'ire zay nivonignia noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fitsanganagna vavolombelona zay nitanàn'izy ire. 10Niàka tamin'ny feo mafy izy ire: "Mandra-pahoviagna, ry Mpanapaka ambônin'ny jiaby, masigna sy marigna, no ire zay miaigna aketo an-tany, sy hamaliàna faty ny rànay? 11De namiàgna akanjolava ny tsiraikiraikià avy tamin'izy ire, ary nivolagnina izy ire, fô tôkony andigny helihely mandra-pazoagna ny isa fenon'ire mpiara-manompon'izy ire sy ire ralahy sy anabavin'izy ire zay tôkony hovonignia izy ire kara namonoagna azy ire.12Kôfa nanôkatra ny tombo-kase faenignia ny Zanak'ondry, de nizaha za ary nisy hôrohôron-tany maventy. Lasa mainty toy ny lamba fisônagna ny masoandro, ary ny volana fenomanana de lasa karaha rà. 13Ire kintagna teny amin'ny lagnitra de nianjaira tety an-tany, karaha aviavy manintsana ny voany manta kôfa ahetsiky ny rivotra mahery. 14Ny lagnitra de nanjavogna karaha horonan-taratasy zay naorongorogna. Ny tendrombohitra sy ny nosy jiaby de nalagna take amin'ny toerany.15Avake ire mpanjakan'ny tany sy ny ôlogna manan-danja, sy ire jeneraly, ny mpanan-kariagna, ny mahery, ary ny hafa jiaby, andevo sy afaka, niafigna takô agnatin'ire lava-bato sy tamin'ire vatolampin'ny tendrombohitra. 16Nivôlagna tamin'ire tendrombohitra sy tamin'ire vatolampy izy ire hoe: ''Milavoà aminay! Akajy amin'ny tarehin'ilay raika zay mipaitraka ake amin'ny sezy fiandrianagna sy amin'ny fahavigniran'ny Zanak'ondry zaihay.17 Fô tônga ny andro maventin'ny fahavigniran'izy ire. Zôvy no havita hiaritra?''

Chapter 7

1Tavafaran'izegny de nahita anjely aifatra nitsangagna take amin'ny zôro tany aifatra za, nanôhitra mafy ny rivotra aifatra ny tany, mbô tsy hisy rivotra hitsoaka amin'ny tany, amin'ny ranomasigna, na hifagnohitra amin'ny hazo jiaby.2 Nahita anjely hafa za niakatra avy tagny antsignianagna, zay nanagna ny tombo-kasen'Andriamanitra velogna. Nihiaka tamin'ny feo mafy tamin'ire anjely aifatra zay nahazo alalagna hanimba ny tany sy ny ranomasigna zay hoe: 3''Aza simbagna ny tany, ny ranomasigna, na ire hazo mandra-panisintsika ny tombo-kase ake amin'ny handrin'ire mpanompon'Andriamanitra.''4Nahare ny isan'ire zay voatombo-kase za: 144,000, no voatombo-kase avy tamin'ny fôkon'ny ôlon'israely jiaby: 5Roa arivo sy raika aligna no voatombo-kase avy tamin'ny fôkon'i Joda, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Robena, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Gada,6 roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Asera, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Naftaly, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Manase.7Roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Simeona, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Levy, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Isakara,8 roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Zebolona, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Josefa, ary roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Benjamina no voatombo-kase.9Tafaran'ire raha ire de nizaha za, ary nisy ôlogna maro be zay tsy tambo isaigna--- avy tamin'ny firenegna, fôko, ôlogna, ary fivôlagna jiaby---nitsangagna take agnatsehan'ny sezy fiandrianagna sy take agnatsehan'ny Zanak'ondry. Nagnano akanjo lava fotsy sy mitagna sampan-drofia tagny amin'ny tagnan'izy ire, 10ary nagnantso mafy tamin'ny feo mahery izy ire nagnano hoe: ''Ny famonjegna de an'Andriamanitra zay mipaitraka ake ambônin'ny sezy fiandrianagna, sy an'ny Zanak'ondry!''11Ny anjely jiaby nitsangagna magnodidigna ny sezy fiandrianagna sy magnodidigna ire lôhôlogna sy ny raha-managn'aigna aifatra, ary izy ire de nampiondrika ny tarehin'izy ire take agnatrehan'ny sezy fiandrianagna. Nivavaka tamin'Andriamanitra izy ire 12nagnano hoe: ''Amena! Dera, Voninahitra, fahaindriagna, fisaoragna, fahefagna, ary ny hery anie ho an'Anandriamanitra mandrakizay doria! Amena!''13Avake ny raika tamin'ire lôhôlogna nagnotany za hoe: ''Iza ire, mitafy akanjolava fotsy, ary avy aiza izy ire?'' 14Hoy za taminy: ''Tompoko, ana mahafantatra,'' ary hoy izy tamiko: ''Ire no hivoaka avy amin'ny Fahoriagna Maventy. Nosasan'izy ire ny akanjolavany ary nofotsiagna tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry.15Noho zany antony zany, de ake agnatraihan'ny sezy fiandriagnan'Andriamanitra izy ire, sy mivavaka amin'ny andro aman'aligna akô amin'ny tempoliny. Ny raika zay nipaitraka take amin'ny sezy fiandrianagna de hamailatra ny lainy amin'izy ire. 16Tsy tihinagna koà izy ire, na hangaitahaita indray. Tsy hamely azy ny masoandro, na ny hafanagna mandoro.17 Fô ny Zanak'ondry ake agnivon'ny sezy fiandrianagna no ho mpiandry azy sy hitari-dalagna azy ire agny amin'ny lôharanon'ny rano velogna, ary hifafan'Andriamanitra ny ranomaso jiaby amin'ny mason'izy ire.''
Chapter 8

1Kôfa novahan'ilay Zanak'ondry ny tombo-kase fafito, de nisy fahanginagna tagny an-dagnitra take amin'ny antsasaka ora take. 2Avake de hitako ire anjely fito zay nitsangagna take agnatraihan'Andriamanitra, ary nagnamia trompetra fito izy ire.3Nisy anjely hafa tônga, nitazogna lasety vôlamaina fandoroagna ditin-kazo magnitra, nitsangagna take ambônin'ny alitara. Ditin-kazo magnitra maro no namiagna azy mbô hagnomaizany zany mbamin'ny vavaky ny mpino jiaby ake ambônin'ny alitara vôlamaina fandoroagna ditin-kazo magnitra ake agnatrehan'ny sezam-boninahitra.4 Ny setrok'ilay ditin-kazo magnitra, mbamin'ny vavak'ire mpino, de niakatra take agnatraihan'Andriamanitra avy amin'ny tagnan'ny anjely. 5Naka lay lasety fandoroagna ditin-kazo magnitra lay anjely ary nagnamia zany tamin'ny afo avake amin'ny alitara. Avake natsipy tamin'ny tany zany, ary nisy kotro-baratra, kotroka, tselatra, ary horohoron-tany.6Ire anjely fito zay nanagna ire trompetra fito de niomagna hitsoka zany.7 Nitsoka ny trompetrany lay anjely voalôhany, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. natsipy tatô an-tany zany mbô ho may ny ampahatelon'izegny, may ny ampahatelon'ny kakazo, ary may dahôlo ire ahi-maintso. (Fagnamarihagna: Ny sanagny amin'ire dika-teny talôha de magnala ny hoe: ''mbô ho may ny ampahatelon'izegny.'')8Nitsoka ny trompetra lay anjely faharoa, ary nisy raha karaha tanety maventy nirehitr'afo natsipy tagny an-dranomasigna. Lasa rà ny ampahatelon'ny ranomasigna, 9maty ny ampahatelon'ny raha-managn'aigna takô an-dranomasigna, ary rava ny ampahatelon'ire sambo.10Nitsoka ny trompetra lay anjely fahatelo, ary nisy kintagna maventy nilatsaka avy agny an-dagnitra, mirehitra karaha ny fanilo, tamin'ny ampahatelon'ire ony sy lôharano. 11Raha mangidy no agnaran'ilay Kintagna. Lasa nangidy ny ampahatelon'ilay rano, ary ôlogna maro no maty tamin'ilay rano zay lasa nangidy.12Nitsoka ny trompetra lay anjely faha aifatra, ary nivoaka ny ampahatelon'ny masoandro, karaha ny ampahatelon'ny volana sy ny ampahatelon'ire kintagna. Noho zany de lasa mainty ny ampahatelon'ire; tsisy hazavagna ny ampahatelon'ny aligna.13Nizaha za, ary naregny vôro-mahery zay nagnaimbagna tegny ampovoan'ny lagnitra, nagnantso tamin'ny feo mafy hoe: '''Loza, loza, ho an'ire zay monignia ambônin'ny tany, nohon'ny feon'ny trompetra sisa zay efa ho tsofin'ire anjely telo.''
Chapter 9

1Nampagneno ny trompetrany ny anjely fahadimy. Nahita kintagna avy agny an-dagnitra za zay nianjaira tagny amin'ny tany. Lay kintagna no namiagna ny fagnalahidin'ilay lavaka tsy hita noanoa. 2Nisokafiny lay lavaka tsy hita noanoa, ary niakatra ny setroka nivoaka takô amin'ny lavaka karaha setroka avy amin'ny lafaoro maventy. Nivadika maloka ny masoandro sy ny rivotra nohon'ny setroka nivoaka takô an-davaka.3Avy amin'ny setroka no nahatongavan'ire valala taketo ambônin'ny tany, ary nagnamia hery karaha ny an'ny maingoka ambônin'ny tany izy ire. 4Nivolagniny izy ire tsy hanimba ny ahitra taketo ambônin'ny tany na ire raha-maniry maitso na kakazo, fô ire ôlogna zay tsy managna tombo-kasen'Andriamanitra ake amin'ny handrin'izy ire ihany.5Tsy nahazo alalagna ny hamono ire ôlogna ire izy ire, fô hampijaly azy ire mandritra ny dimy volana ihany. Ny fanaintaignian'izy ire de ho karaha tsindron'ny maingoka jiaby mamely ôlogna. 6Amin'ire andro ire de hitady fahafatesagna ny ôlogna, fô tsy hahita zany. Hagniry ny ho foaty mafy izy ire, naifa hilaifa azy ire ny fafataisagna.7Karaha sôvaly nomagnina tamin'ny ady ire valala. Tamin'ny lôhan'izy ire de nisy raha karaha satro-boninahitra vôlamaina, ary ny tarehin'izy ire de karaha tarehin'ôlombelogna. 8Nanagna volo karaha volon'ôlombelogna izy ire ary ny nifin'izy ire de karaha ny nifin'ire liona. 9Nanagna fiarôvan-tratra karaha fiarôvan-tratra vy izy ire, ary ny feon'ny ailatr'izy ire de karaha ny feon'ny kalesy sy sôvaly maro mihazakazaka ho agny amin'ny ady.10Nanagna rambo nisy fanindromagna karaha maingoka izy ire; akô amin'ny rambon'izy ire no misy ny hery hanimba ny ôlogna mandritra ny dimy volana. 11Nanagna mpanjaka izy ire de lay anjelin'ilay lavaka tsy hita noanoa. Ny agnarany tamin'ny teny Hebreo de Abadona, ary ny agnarany tamin'ny teny grika de i Apolyona. 12Lasa ny loza voalohany. Indro! afaran'izao de mbôla hisy loza ho avy.13Nampagneno ny trompetra lay anjely fahaenigna, ary naregny ny feo nivoaka tamin'ny tandroky ny alitara vôlamaina zay aifa nisy take agnatraihan'Andriamanitra za. 14Ary nivôlagna tamin'ilay anjely fahaenigna lay feo magnano hoe: ''Avilay ire anjely aifatra zay mifatotra agny amin'ilay renirano maventin'ny Eofrata.'' 15Ire anjely aifatra zay efa nomanignia tamin'izegny ora izegny, izegny andro izegny, izegny volana izegny, ary izegny taogna izegny, de navôtsotra mbô hamono ny ampahatelon'ny olombelogna.16Ny isan'ire mairamila nitikin-tsôvaly de 200,000,000. Naregny ire isa ire za. 17Karan-jegny no fomba nahitako ire sôvaly takô amin'ny fahitako sy ire zay nitikina tamin'izy ire. Ire fiarôvan-tratran'izy ire de mirehitra maina, manga antitra ary sôlifara mavo. Karaha ny lôhan'ire liona ny lôhan'ire sôvaly, ary ny nivoaka avy takô am-bavan'izy ire de afo, setroka, ary sôlifara.18Ary ny ampatelon'ire ôlo de matin'ire loza telo: ny afo, ny setroka, ary ny sôlifara zay nivoaka avy takô am-bavan'izy ire. 19Fô ny herin'ire sôvaly de avy takô amin'ny vavan'izy ire sy tamin'ny rambon'izy ire - fô ny rambon'izy ire de karaha bibilava, ary nanagna lôha zay afaka mandratra ôlo izy ire.20Ny ambin'ire ôlombelogna, ire zay tsy matin'ire loza ire, de tsy nibebaka tamin'ny asa zay vitan'izy ire, na nijanogna nanompo ire demony sy sampy vôlamaina, vôlafotsy, varahagna, vato, ary hazo- ire raha jiaby zay tsy hita maso, re, na mandaiha. 21Izy ire de mbôla tsy nibebaka tamin'ny asa famonoagna, ny famosavian'izy ire, ny fijangajangana na ire asa fangalaran'izy ire.
Chapter 10

1Avake za de nahita anjely mahery hafa nidigna avy agny an-dagnitra. Takô agnaty rahogna izy, ary nisy avagna take ambonin'ny lôhany. Ny tarehiny de miendrika masoandro ary ny tôngony de karaha ny andry afo. 2Mitagna horognan-taratasy hely mivelatra amin'ny tagnany izy, ary mametraka ny tongony havanagna amin'ny ranomasigna sy ny tongony havia amin'ny tany.3Avake izy de nihiaka tamin'ny feo mafy karaha ny fieron'ny liona. Rehefa nihiaka izy, de nikotroka mafy tamin'ny feony ny kotroka fito. 4Kôfa nikotroka ny kotroka fito, de take andalam-panoratagna za, fa nandre feo avy agny an-dagnitra za nivôlagna hoe: ''Taomy ho tsiambaratelo zay novolagnin'ny kotroka fito. Aza soratagna zegny.''5Avake lay hitako nitsangagna tambôny ranomasignia sy tamin'ny tany, nanandratra ny tagnany havanagna tagny an-dagnitra. 6Izy nianiagna tamin'ilay raika zay velogna mandrakizay doria, zay namôrogna ny lagnitra sy zay jiaby akô agnatin'izegny, ny tany sy zay jiaby akô agnatin'izegny, ary ny ranomasignia sy zay jiaby akô agnatin'izegny, ary lay anjely nivôlagna hoe: "Tsisy fandigniasana koà. 7Fô amin'ny andro raikia kôfa hampagneno ny trompetrany ny anjely fafito, de ho tantairaka ny misterin'Andriamanitra, karaha ny nagnambarany tamin'ire mpaminany mpanompony."8Lay feo zay regniky avy agny an-dagnitra nivôlagna taminahin-draikia hoe: "Mandiana, alaivo lay horonan-taratasy mivailatra zay agny an-tagnan'ilay anjely mitsangagna ake ambôny ranomasignia sy ambônin'ny tany.'' 9Avake de lasa nandaiha amin'ilay anjely za ary nivôlagna taminy mbô hagnamia za lay horonan-taratasy hely. Hoy izy taminahy: ''Alaivo ny horonan-taratasy ary hioagno zegny. Hampangidy ny akô an-kibona zegny, fô akô am-ambavanô de ho mamy karaha tintely zegny.''10Nalaiko tamin'ny tagnan'ilay anjely lay horonan-taratasy hely ary nihoaniky zegny. Mamy karaha tintely tam-bavako zegny, fô tafaran'ny ninanako ananjy, de lasa nangidy ny takô an-kiboko. 11Avake nisy ôlogna raika nivôlagna taminahy hoe: ''Tsy maintsy maminagny indray ana momban'ire ôlogna maro, ire firenegna, ire fivôlagna, ary ire mpanjaka.''

Chapter 11

1Namiagna volotara mbô ampiasaignia karaha tehignia za. Nivolagnina taminahy hoe: ''Mitsangàgna ary refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary ire zay mivavaka akô. 2Fô aza rifesignia ny kianja ake ivailan'ny tempoly, fô namiagna an'ire Jentilisa zegny. hagnitsaka ny tanàgna masignia mandritry ny roa amby aifapolo volagna izy ire.3Hamiako ire vavolombeloko roa ny fahefagna haminagny mandritry ny 1,260 andro, nagnatô lamba fisaonagna.''4 Ire vavolombelogna ire de kakazon'oliva roa sy ny fitoeran-jiro roa zay nitsangagna take agnatraihan'ny Tompon'ny tany. 5Ra misy ôlogna misafidy handratra azy ire, de mivoaka afo ny vavan'izy ire ka hihinagna ire favalon'izy ire. Na zôvy na zôvy magniry ny handratra azy ire de tsy maintsy hivonignia amin'izegny fomba zegny.6Ire vavolombelogna ire managna fahefagna hagnidy ny lagnitra mbô tsy hilatsahan'ny oragna mandritry ny andro haminanian'izy ire. Manam-pahefagna izy ire hagnova ny rano ho rà sy hamely ny tany amin'ny karazagna loza jiaby na oviagna na oviagna irin'izy ire. 7Kôfa ho vita ny fijoroan'izy ire vavolombelogna, de miakatra avy agny agnaty lavaka tsy hita noanoa lay bibidia hiady hanôhitra azy ire. handresy azy ire Izy ary hamono azy ire.8Hitsilôtra eny amin'ny lalan'ny tanàn-dehibe ny fatin'izy ire (zay antsôvignia ihany koà hoe Sodoma sy Egypta) zay namantsiagna ny Tompon'izy ire. 9Hizaha ny fatin'izy ire mandritra ny telo andro sy tapany ny ôlogna, fivôlagna, ary ny firenena jiaby. Tsy ho availan'izy ire apaitraka akô am-pasagna ire10Ire zay miaignia ake ambônin'ny tany de hifaly amin'izy ire ary hankalaza. Hifandaifa fagnomaizagna mihintsy aza izy ire satria nampijaly ire zay miaignia ambônin'ny tany ire mpaminany roa. 11Fô afaka telo andro sy tapany de hiditra akô amin'izy ire ny fofon'aigna avy amin'Andriamanitra, ary hijoro amin'ny tongony izy ire. Hilatsaka amin'ire zay mahita azy ire tahotra maventy.12 Avake de haregny feo mahery avy agny an-dagnitra izy ire mivôlagna azy ire hoe: ''Miakara aketo!'' Avake de hiakatra ho agny an-dagnitra akô agnaty rahogna izy ire, ra mbôla mizaha tany ire favalon'izy ire.13Amin'izegny ora izegny de hisy horohoron-tany mafy, ary hirodagna ny ampahafolon'ny tanàgna. Fito arivo ny ôlogna ho foaty amin'ilay horohorontany, ary ho raiki-tahotra ire ôlogna sisa tsy maty ary hagnamia voninahitra an'Anandriamanitra ny lagnitra. 14Lasa ny loza faharoa. Indro! tônga faingiagna ny loza fatelo.15Avake de nampagneno ny trompetra ny anjely fahafito, ary nisy feo mafy nivôlagna tany an-dagnitra nagnano hoe: ''Ho lasa fanjakan'ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan'izao tontolo izao. Izy no hanjaka mandrakizay doria.''16Avake ire lôhôlogna aifatra amby roapolo zay nipaitraka take amin'ny sezy fiandrianan'izy ire take agnatraihan'Andriamanitra de nampiondrika ny taignian'izy ire. Nankalaza an'Andriamanitra izy ire. 17Hoy izy ire: ''Magnamia fisaoragna ana zahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, lay avaizo sy talôha, satrià nalaka ny herinô maventy anô ary nanomboka nanjaka. (Fagnamarihagna: Ny sanagny amin'ire dikan-teny talôha de mivaky hoe: Ny mpanapaka jiaby, lay avaizo sy talôha, ary lay ho avy, fô ny dikan-teny amin'izao fotoagna tsy karan-jegny.)18Vignitra mafy ire firenena, kanaifa tônga ny fahavigniragna. Tônga ny fotoagna hitsaragna ny maty sy hamaliagna soa ire mpaminany mpanomponô, ire zay mpino, sy ire zay natahotra ny agnaranô, na ny tsy manan-danja na ny mahery. Tônga ny fotoagna handringanagna ire zay manimba ny tany.''19Avake de nisôkatra ny tempolin'Andriamanitra tagny an-dagnitra ary hita ny fiaran'ny fagnikiagna akô agnatin'ny tempoliny. Nisy tsela-pahazavagna, kotroka, kotrokôragna, hôrohôrontany, ary havandra maventy takô.
Chapter 12

1Famantaragna maventy no hita tagny an-dagnitra: Viavy nagnatô ny masoandro, ary ny volana take ambanin'ny tongony, ary satro-boninahitra vita tamin'ny kintagna roa ambin'ny folo no take amin'ny lôhany. 2Bikibo izy, ary nihinagna mafy fô aifa ho tairaka, akô agnatin'ny fihetsehan-jaza.3Avake nisy famantaragna hafa niseho tagny an-dagnitra: Indro! Nisy dragogna mena maventi-be zay nanagna lôha fito sy tandroka folo, ary nisy satro-boninahitra fito take amin'ire lôhany. 4Ny rambony de nifaoka ny ampahatelon'ny kintagna tagny an-dagnitra sady nanipy azy ire teny amin'ny tany. Lay dragogna nijoro take agnatraihan'ilay viavy zay aifa ho teraka, kay kôfa teraka izy, de afaka handrapaka ny zanany izy.5Nitairaka zazalalahy izy, zay hanapaka ny firenena jiaby miaraka amin'ny tehim-by. Ny zanany de nalaignia an-keriny ho agny amin'Andriamanitra sy ake amin'ny sezy fiandriagnany, 6ary lay viavy de nilefa nankagny agn'aifitra, zay nisy toeragna aifa nomagnin'Andriamanitra ho ananjy, koa de voakarakara mandritry ny 1260 andro izy.7Ary nisy ady an-dagnitra. Mikaela sy ire anjely de niady tamin'ilay dragogna; ary lay dragogna sy ny anjely de namaly ady. 8Fô tsy natanjaka lay dragogna kay tsy naresy. koa tsy nisy toeragna ho ananjy sy ire anjeliny intsony tany an-dagnitra. 9Lay dragogna maventy --- zay menaragna talôha nantsôvignia hoe devoly na Satana, lay namitaka an'izao tontolo izao ---de natsipy tambônin'ny tany, ary ire anjeliny de natsipy niaraka taminy.10Avake naregny feo mafy avy agny an-dagnitra za: ''Avaizo de tônga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan'Andriamanitra ary ny fahefan'i Kristy. Fô ny mpiampanga ny ralahintsika de natsipy tagny ambany, lay raika zay miampanga azy ire andro aman'aligna ake agnatraihan'Andriamanitsika.11Izy ire naresy ananjy tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry sy tamin'ny teny fijoron'izy ire vavolombelogna, fô tsy nankamamy ny fiainagna intsony izy ire na de ho foaty aza.12 Noho izegny, mifalia, ianare ry lagnitra, sy zay jiaby monigna akô aminy. Fô mitandraima ny amin'ny tany sy ny ranomasigna satria ny devoly de nidigna tegny aminare. Feno fahavigniragna izy, satria fantany fô fotoagna fohy sisa no hanagnany.13Kôfa nafantatra lay dragogna fô nazaira tamin'ny tany izy, de nagnenjikia lay viavy nitaraka zazalalahy izy. 14Fô lay viavy de namiagna ailatra roan'ny voromahery maventy, kay de afaka nagnaimbagna nankany amin'ilay toeragna nokarakaraigna ho azy tagny an'aifitra. Io lay toeragna hitsinjôvagna azy, mandritra ny telo taogna sy tapany----mbô tsy ho hitan'ilay mainarana.15Namoaka rano karaha ny renirano tamin'ny vavany lay mainarana, zay hifaoka an-draviavy. 16Fô ny tany nanampy an-draviavy. Nisokafan'ny tany ny vavany ary de nateliny ny riaka zay navoakan'ny vavan'ilay dragogna.17 Ary vignitra tamin-draviavy lay dragogna kay niala ary nitady ady tamin'ny ambin'ire taragnany, zay magneky ny didin'Andramanitra ary mitagna ny fijoroagna vavolombelogna momba an'i Jesosy. 18Avake nitsangagna take ambônin'ny fasiky ny ranomasigna lay dragogna.

Chapter 13

1Ary nahita bibi-dia za niakatra avy tamin'ny ranomasigna. Nanagna tandroka folo zegny ary lôha fito. Take amin'ny tandrony de diadema folo, ary take amin'ny lôhany de nisy agnaragna fivôlan-dratsy avy. 2Lay bibi-dia zay hitako de karaha ny tongotra bera, ary ny vavany de karahan'ny vavan'ny liona. Lay dragogna nagnamia azy ny hery, ny sezy fiandrianagna, ary ny fahaifatra maventy hagnapaka.3Ny lôhan'ilay bibi-dia anankiray de karaha aifa maty, kanaifa sitragna lay ratra saika nafaty azy. Ary gaga ny tany jiaby kay nagnaraka lay bibi-dia. 4Ary de niondrika koa take amin'ilay dragogna izy ire, satria izy no nagnamia ny fahaifany ho an'ny bibi-dia, koa, izy ire, ary nivôlagna hoe: ''Izy no karahan'ny bibi-dia?'' ary ''Iza no afaka miady aminy?''5Nagnamia vava zegny afaka mivôlagna fireharehagna sy fivôlan-dratsy lay bibi-dia. Nagnamia alalagna izy mbô hampihatra fahefagna mandritran'ny aifatra ambi-aifapolo volagna. 6Ary nanôkatra ny vavany hivôlan-dratsy an'Andriamanitra lay bibi-dia: nivôlan-dratsy ny agnarany, ny toeragna zay hipitrahany ary ire zay mipaitraka akô an-dagnitra.7Navaila hiady tamin'ire mpino ary handresy azy lay bibi-dia. Ary koa, ny fahefagna de nagnamia azy manairagna ny foko, ny ôlogna, ny fivôlagna, ary ny firenena jiaby. 8Hiondrika ake aminy ire jiaby zay monigna ambônin'ny tany, ire zay tsy voasôratra agnaragna, nandritran'ny famoronagna zao tontolo zao, akô amin'ny Bokin'ny Fiainagna, zay an'ny Zanak'ondry, zay aifa nivonignia.9Ra misy manan-tadigny, ôka izy hitandregny. 10Ra misy nalaignia babo, de handaiha amin'ny fababoagna izy. Ra misy nivonigna tamin'ny sabatra, amin'ny sabatra no homonoagna ananjy. Itô no antso ho an'ny faharetagna ary finoagna ho an'ire zay masignia.11Ary nahita bibi-dia hafa za niakatra avy tamin'ny tany. Zegny de nanagna tandroka roa karahan'ny zanak'ondry, ary nivôlagna karahan'ny dragogna. 12Nampihariny dahôlo ny fahefagna jiaby an'ilay bibi-dia voalohany ake agnatraihany, ary ny tany sy ire zay monignia ake aminy de asainy miondrika ake amin'ilay bibi-dia voalôhany---- lay raika zay sitragna tamin'ny ratra saika nafaty ananjy.13Nagnano fahagagagna maro be izy. Nampidignia afo avy agny an-dagnitra ho amin'ny tany take agnatraihan'ny ôlogna. 14Tamin'ny alalan'ny famantaragna de namiagna alalagna anô zegny, namitaka an'ire zay monigna ambônin'ny tany zegny. Nivôlagna tamin'izy ire zegny mbô hagnamboatra sary ho voninahitry ny bibi-dia zay voaratran'ny sabatra naifa velogna.15Navaila agnatôvagna aignia ny sarin'ny bibi-dia mbô ahafan'ilay sary mivôlagna ary zay jiaby tsy magneky miakôhotra amin'ilay bibi-dia de nivonignia. 16Nanery ny tsiraikiraikia ihany koa zegny, na ny hely na ny maventy, na manankariagna, na ny mahantra, na ny tsy andevo, na ny andevo de mandray ny marikia ake amin'ny tanagna ankavanagna na ake amin'ny andrina. 17Tsy hisy ôlogna mahazo mividy na mivarotra mandra-pazoany ny marikia ny bibi-dia, izegny de ny isan'ny fanehoagna ny agnarany.18Izegny de mitaky fahindriagna. Ra misy ôlogna manan-tsaignia, ôka izy hagnisa ny isan'ny bibi-dia. Fô zegny de isan'ny ôlogna. Zegny isa zegny de 666
Chapter 14

1Nizaha za ary nahita ny Zanank'ondry nitsangagna take amin'ny tendrombohitra Ziona. Niaraka taminy ire 144. 000 zay nanagna ny agnarany sy ny agnaran'ny Babany voasôratra ake amin'ny handrin'izy ire. 2Naregny feo avy agny an-dagnitra karaha ny firohondrohon'ny rano maro sy kotroka mafy za. Ny feo regniky ihany koa de karaha mpitendry lokangany.3Nihira hira vôvô teo agnatraihan'ny sezy fiandrianagna sy teo agnatraihan'ire raha managn'aignia aifatra sy ire lôhôlogna izy ire. Tsy nisy na zôvy na zôvy afaka nianatra ny hira afa-tsy ire 144.000 zay nividianagna avy taketo an-tany ihany . 4Ire de ôlogna zay tsy nandoto ny taignian'izy ire tamim-biavy, fô nihazogna ny taigniany madio ara-nôfo izy de zay magnaraka ny Zanak'ondry na akaiza na akaiza andianany. Izy iregny de nividianagna avy tamin'ny olombelogna karaha voalôham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ho an'ny Zanak'ondry. 5Tsisy lainga hita teo amin'ny môlotr'izy ire, tsy manan-tsigny izy ire. (Fagnamarihagna: Ny dikan-teny sanagny magnampy hoe: "Tagnatraihan'ny sezy fiandrianan'Andriamanitra")6Nahita anjely zay hafa nagnaimbana ambôny za, zay nanagna ny hafatra mandrakizain'ny vôvô mahafaly hambara amin'ire zay miaigna ambônin'ny tany - amin'ny firenena, foko, fivôlagna, ary ny ôlogna jiaby. 7Nagnantso tamin'ny feo mafy izy hoe: "Matahôra an'Andriamanitra ary magnomaiza voninahitra Ananjy. Fô tônga ny oran'ny fitsaragnany. Mivavaha Aminy, ny raikia zay nagnano ny lagnitra, ny tany, ny ranomasignia, ary lôharano."8Nisy anjely hafa-ny anjely faharoa-nagnaraka nivôlagna hoe: "Nianjaira, nianjaira Babylona be, zay nandresy lahatra ire firenena jiaby mbô hisotro ny divain'ny fitondran-taignia malotony."9Nisy anjely hafa-anjely fatelo -nagnaraka azy ire, nivôlagna tamin'ny feo mafy hoe: "Ra misy mivavaka amin'ny bibi-dia sy ny sariny, ary mandray ake amin'ny handriny na ake amin'ny tagnany, 10de hisotro ny sanagny amin'ny divain'ny fatezairan'Andriamanitra ihany koa izy, divay tsy niaro zay narotsaka takô agnatin'ny kapoaky ny hatezairany. Ny ôlogna zay misotro izegny de ho ampijaliagna amin'ny afo sy sôlifara ake agnatraihan'ire anjely masin'Andriamanitra sy agnatraihan'ny Zanak'ondry.11Ny setroka avy amin'ny fijalian'izy ire de miakatra doria, ary tsy manam-pitsaharagna andro sy alignia izy ire - ire mpanompon'ny bibi-dia sy ny sariny ire ary ny ôlo-jiaby zay mandray ny mariky ny agnarany. 12Itô de antso ho an'ny faharaitagna maharitr'ire zay masignia, ire zay magneky ire didin'Andriamanitra ary mino an'i Jesosy."13Naregny feo avy agny agny an-dagnitra zaho nivôlagna hoe: ''Soraty zao: Sambatra ny naty zay naty akô amin'ny Tompo.'' ''Ia'', aozy ny Fanahy, ''mbô ahafahajaré ré miala disaka amin'ny asanjaré ré, fô ny vitanjaré ré de hagnaraka ananjy iré.''14Nizaha zaho, ké nisy rahogna fotsy. Nipetraka takè amin'ny rahogna ny araika karaha ny zanak'ôlogno. Nanagna satro-boninahitra vôlamena také amin'ny lohany sy fijinjagna maragnitra egny an-tagnany izy. 15De nisy anjely hafa niboaka ny tempoly ke nagnantso tamin'ny feo mafy an'ilay mipetraka aké amin'ny rahona nivôlagna hoe: ''Raiso ny fijinjagna ke manomboa mijinja. Fô tônga ny fotoagna hijinjagna, satria masaka ny vokatry ny tany.'' 16Ary ny raika zay nipetraka takè amin'ny rahona nampandroso ny fijinjanany taketo an-tany, ke nojinjaigna ny tany.17Nisy anjely hafa niboaka avy takô an-tempoly tany an-dagnitra; nanagna fijinjagna maragnitra draika koa izy. 18Mbôla nisy anjely hafa koa niboaka ny alitara fandoroagna ditin-kakazo magnitra, zay nanagna fahefagna amin'ny afo. Nagnantso tamin'ny feo mahery an'ilay iré zay nanagna fijinjagna maragnitra izy hoe: ''Raiso ny fijinjagnanô maragnitra ke angony iré sampam-boaloboka avy amin'ny voaloboky ny tany, fô iré voaloboka de efa masaka aminjô.''19Nampandrôso ny fijinjagnany tamin'ny tany ilay anjely ké nanangona ny vokatry ny voaloboka ny tany. Natsipiny takô anaty famiazam-boaloboka lehiben'ny fahaviniran'Andriamanitra izégny. 20Ny famiazam-boaloboka de nidiana tagny ivélan'ny tanàgna, ary ny rà de nipariaka avy takô amin'izégny ké tônga hatregny amin'ny hambôsan'ny lamboridin-tsoavaly, zay 1.600 stadio.
Chapter 15

1Avy aké de nahita famantaragna hafa vôlagna amin'ny lagnitra zaho, maventy sy mahatalanjogna: Nisy anjely fito miaraka amin'ny loza fito, zay loza farany indrindra, fô amin'izy iré no hahatanteraka ny fahavigniran'Andriamanitra.2Nahita izay niboaka tamin'ny ranomasigna fitaratra nampiarahigna tamin'ny afo zaho. Nitsangagna také marivo ranomasigna iré zay nandresy an'ilay bibidia sy ny sariny, sy ny isa magnatoro ny agnarany. Zaré ré de nitazogna harpa namián'Andriamanitra ananjy iré.3Zaré ré nihira ny hiran'i Mosesy, lay mpanômpon'Andriamanitra, ny hiran'ny Zanak'ondry hoe: ''Maventy sy mahatalanjogno iré asanà, Tompo Andriamanitra, lay Avo indrindra. Marigna sy mahitsy iré lalaná, ry Ampanjakan'iré firenegna. 4Zôvy no tsy hahatahotra Anô, ry Tompo, sy hagnamia voninahitra ny agnaranô? Fô Anô araika no masigna. Ny firenegna jiaby ho avy sy hivavaka aké agnatrehanô satria iré asanô marigna de efa nizakaina.''5Tafaran'iré raha iré zaho de nizaha, ké nisôkatra tegny amin'ny lagnitra lay tempoly zay managna lain'ny fijoroagna vavôlombelogna. 6Niboaka avy takô amin'ilay toeragna masigna indrindra iré anjely fito mitazogna iré lôza fito. Zarè ré de miakanjo mady, lamba rongony mamiratra sy misy fehin-kibo vôlamena magnodidigna ny tratranjaré ré.7Raika tamin'iré raha-managn'aigna efatra nagnamia an'irè anjely fito lasety vôlamena fito feno ny fahavigniran'Andiamanitra, lay velogna mandrakizay doriá. 8Feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy avy amin'ny herin'ny tempoly. Tsisy na zôvy na zôvy afaka miditra akô mandra-pahatanteraky ny lôza fiton'iré anjely fito.

Chapter 16

1Naharegny feo mafy nagnantso avy takô an-tempoly zaho ke nivôlagna tamin'iré anjely fito hoe: ''Mandiana ké apariaho amin'ny tany iré lasety fito feno ny havigniran'Andriamanitra.''2Lasagna lay anjely voalôhany ké nagnapariaka ny takô an-dasetiny tamin'ny tany; ratra ratsy sy marary no tônga tamin'ny ôlogna zay nanagna ny marikan'ny bibi-diá, iré zay nankalaza ny sariny.3Lay anjely faharoa nagnapariaka ny takô an-dasetiny tamin'ny ranomasigna. Lasa rà izegny, karaha ny ràn'ôlogna naty, ké naty ny raha-managn'aigna jiaby takô an-dranomasigna.4Lay anjely fahatelo napariaka ny takô an-dasety tamin'iré ony sy lôharagno, ké lasa rà iré. 5Regniko ny anjelin'ny rano magnano hoe: ''Marigna anô_lay avaizo sy talôha, lay ray masina _satrià efa nitsara iré raha iré anô. (Fanamarihagna: Ny antotan-taratasy sanany talôha de mamaky hoe: ''Marigna anô, Tompo_Lay avaizo sy talôha ary ho avy, satrià efa nitsara iré raha irè anà.'') 6Satrià ny ràn'irè mpino sy mpaminany no nalatsak'anjaré ré, de namianà rà ho sitroigna zaré ré; izegny no mendrika ananjy iré.'' 7Regniko ny alitara namaly hoe: ''Ia, Tompo Andriamanitra lehibe, irè fitsaranà de marigna sy mahitsy.''8Lay anjely fahaefatra nagnapariaka ny takô an-dasety tamin'ny masoandro, ké nahazo alalagna handoro ny ôlogna amin'ny afo izegny. 9Main'ilay hafanagna be zarè ré, ké nikoran-dratsy ny agnaran'Andriamanitra, zay managna ny fahefagna amin'iregny lôza iregny. Tsy nibebaka zaré ré na nagnamia voninahitra Ananjy.10Avy aké ilay anjely fahadimy nanapariaka ny takô an-dasaty tamin'ny sezy fiandrianan'ilay bibi-dià, ké nandrakotra ny fanjakany ny haizigna. Nihota ny lelany zaré ré nohon'ny fahoriagna. 11Nikoran-dratsy lay Andriamanitry ny lagnitra zaré ré nohon'ny fahoriagna sy ratran-jaré ré, ké mbôla nandà ny hibebaka amin'izay vitan-jaré ré.12lay anjely faha-enina nanapariaka ny takô an-dasetiny tamin'ny ony maventy, lay Eofrata. Noritina Izégny mbô hanomanana ny lalana ho an'iré ampanjaka zay ho tônga avy agny antsinanagna. 13Nahita fanahy maloto telo zaho zay niendrika sahona miboàka avy agny am-bavan'ny dragona, avy agny am-bavan'ny biby-dià, ary avy amin'ny vavan'ny mpaminany sandoka. 14Fô fanahin'ny demonià magnano famantaragna mahagaga zaré ré. Nankagny amin'iré ampanjakan'izao tontôlo izao zaré ré mbô hanangona ananjy iré miaraka ho an'ny adin'ny andro lehiben'Adriamanitra Avo indrindra.15(''Indro! Avy karaha ny mpangalatra Zaho! Sambatra zay miambigna, miaro iré fitafianany mbô tsy hiboaka hibolaigna izy ké hitanjaré ré ny fitanjahany.'') 16Nindosin-jaré ré niaraka tagny amin'ny toeragna zay antsovigna hoe Hara-magedona amin'ny Hebreo zaré ré.17Avy také lay anjely fahafito nanapariaka ny takô an-dasetiny tamin'ny rivotra. Ké nisy feo mafy nivoàka avy takô an-tempoly sy avy tamin'ny sezy fiandrianana, magnano hoe: '''Vita izégny!'' 18Nisy tselatra, kotroka, kotro-baratra, ary horohoron-tany mafy_ horohoron-tany maventy noho zay efa nitranga hatramin'izay nisiàn'ôlogna takéto an-tany, ké de mafy izégny horohoron-tany izégny. 19Vaky ho fizaragna telo lay tanàna maventy, ké rava ny tanànan'iré firenegna. Avy aké Andriamanitra nagnantso mbô hahatsiaro an'i Babylona maventy, ké namiany izegny tanàna izegny ny kapoàka feno divay vita avy amin'ny firehetan'ny fahavinirany.20Nanjavogna ny nosy jiaby, ké tsy hita intsony iré tendrombôhitra. 21Nisy havandra mavénty, milanja aké amin'ny talenta raika aké, nidina avy agny an-danitra ho amin'ny ôlogna. Nanozogna an'Andriamanitra zaré ré nohon'ny lôza avy tamin'ny havandra satrià tegna mafy loàtra izégny lôza izegny.

Chapter 17

1Araiky tamin'iré anjely fito zay nitazogna iré lasety vôlamena fito nagnatogna sy nivôlagna taminahy hoe: ''Avià, ho atoroko anà ny sazin'ny mpijangajanga maventy zay mipetraka ambôny rano maro. 2Niaraka taminanjy no nampijangajanga an'iré mpanjakan'ny tany. Ny divain'ny fijangajangany no nahamamo iré mponin'ny tany.''3Avakè lay anjely nitondra anahy tamin'ny Fanahy tagny amin'ny tany maigna, ké nahita viavy nipetraka také ambôny bibi-dia mena zay feno agnaragna vôlan-dratsy zaho. Lay bibi-dia managna lôha fito sy tandroka fôlo. 4Lay viavy de nagnatô akanjo vôloparasy sy mena ké voaravaka vôlamena, vato sarobidy, ké vato soa. Izy de nitazogna tamin'ny tagnany kapoaka vôlamena feno iré raha maharikoriko sy iré tsy fahadiôvan'ny fijangajangany. 5Také amin'ny handriny no nisy agnaragna managna dikany miafigna voasôratra hoe: ''Babylona maventy, lay renin'iré mpijangajanga ndraiky raha maharikorikon'ny tany.''6Nahita zaho fô lay viavy de mamon'ny ràn'iré mpino ndraiky ràn'iré martiry ho an'i Jesosy. Kôfa nahita ananjy zaho, de tegna talanjogna. 7Fô lay anjely nivôlagna taminahy hoe: ''Magnino no talanjogna anà? Hô azavaiko anà ny dikan'ilay viavy sy lay bibi-dia zay mitôndra ananjy, lay bibi-dia zay managna lôha fito sy tandroka fôlo.8Lay bibi-dia zay hitanô de misy, fô tsisy avaizo, fô andalam-piakaragna avy agny amin'ny farany ambanin'ny lavaka tsy hita noanoa. Avaké de hankagny amin'ny fahasimbagna izégny. Iré zay miaigna ambôny tany, iré zay tsy voasôratra akô amin'ny Bokin'ny Fiainagna hatramin'ny namoronagna an'izô tontôlo izô ny agnarany- ho gaga zaré ré kôfa hahita fô lay bibi-dia de misy, fô tsisy intsony avaizo, fô andalam-pihaviagna.9Magnantso saigna zay manam-pahendregna izègny. Iré lôha fito de vohitra fito zay hipitrahan'ilay viavy. 10Zaré ré foagna koà de mpanjaka fito. Mpanjaka dimy no lavo, araiky no misy, ké ny hafa de mbôla tsy tônga; kôfa tônga izy, de fe-potoagna hely foagna no hipitrahany.11Lay bibi-dia zay misy, fô tsisy avaizo, mpanjaka fahavalo izy; ndraiky araiky amin'iré mpanjaka fito izy, ké hankagny amin'ny fahasimbagna.12Iré tandroka fôlo zay hitanô de mpanjaka fôlo zay mbôla tsy nandray fanjakagna, fô hahazo fahefagna karaha ny mpanjaka miaraka amin'ilay bibi-dia - mandritry ny adiny araiky zaré ré. 13Firaisan-tsaigna izégny, ké zaré ré de hagnamia ny hery ndraiky fahefanjaré rè an'ilay bibidia. 14Hanangan'ady manohitra ny Zanak'ondry zaré ré. Fô ny Zanak'ondry no handresy ananjy ré satrià Izy no Tompon'ny tompo, ké Mpanjakan'ny mpanjaka-ary miaraka aminanjy iré voaantso, iré voafidy, ké iré manam-pinoagna.''15Ahozy ny anjely taminahy: ''Irè rano zay hitanô, takè amin'ilay nipitrahan'ilay mpijangajanga, no ôlogno, vondron'ôlogno, firenegna, ké fivôlagna.16Iré tandroka fôlo zay hitanô-zaré ré sy lay bibi-dia de hankahala an'ilay mpijangajanga. Ho atônjaré ré lao sy mitanjaka izy, handrovitra ny nôfony zaré ré, kè handoro ananjy tanteraka amin'ny afo. 17Fô Andriamanitra efa nametraka izègny takô am-pônjaré ré mbô hagnatanteraka ny fikasagna amin'ny fagnekenjaré ré hagnamia ny herinjaré ré hitôndra lay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.18Ké raviavy, lay hitanà no tanàgna maventy zay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.''

Chapter 18

1Tafaran'irè raha iré de nahita anjely hafa zay nidigna avy agny an-dagnitra zaho. Nanagna fahefagna maventy izy, ké namirapiratra nohon'ny voninahiny ny tany. 2Nihiaka tamin'ny feo mahery izy, nivôlagna hoe: ''Nianjera, nianjera lay Babylona maventy! Lasa tônga toeram-ponegnan'ny demony, fialôfagna ho an'iré fagnahy maloto, ké fialôfagna ho an'ny iré vorogna maloto sy marikoriko jiaby. 3Fô ny firenegna jiaby de nisôtro ny divain'ny fitondran-tegna malotony. Iré mpanjakan'ny tany de nagnano fitondran-tegna maloto taminanjy. Iré mpivarotra ny tany de tônga mpanan-kariagna tamin'alalan'ny fômba fiaignany amin'ny nôfo.''4Avaké de naharegny feo hafa avy agny an-dagnitra zaho, mivôlagna hoe: ''Mialà aminahy, ry ôloko, mbô tsy hizarany ny fahotany akô aminaré, ké mbô tsy hahazoanaré ré lozany. 5Efa nihangogna karaha ny ahavon'ny lagnitra iré fahotany, kè Andriamanitra mahatsiaro iré asa ratsy. 6Mamalià ananjy karaha ny namalian'ny hafa, ké valio avy roy eny zay efa vitany; takô amin'ny fiky zay efa nofinoiny, de fenoy avo roy eny ho ananjy.7Karanjegny nagnamia vôninahitra ny tegnany sy niaigna tamin'ny tsy fiafiagna, amiao ananjy ny fampijaliagna ndraiky alahelo sahaza ananjy. Fô izy nivôlagna takô am-pôny nagnano hoe: 'Nipetraka karaha ny mpanjaka viavy zaho. Tsy naty vady zaho, ké tsy hisaogna mandrakizay.' 8Noho izégny de ho avy amin'ny andro araiky iré areti-mandringany: ny fahafatesagna, ny fisaonagna, ké ny mosary. Hodoran'ny afo izy, fô ny Tompo Andriamanitra de mahery, ké izy no mpitsara ananjy. ''9Iré mpanjakan'ny tany zay nijangajanga sy nandeha tsy am-pieritreretagna niaraka taminanjy de hitomagny ké hiankôhoka akè agnatrehany kôfa hahita ny setroky ny fahamaizany zaré ré. 10Hijôro lavitra zarè ré, hatahotra ny fijaliany, hivôlagna hoe: ''Loza, loza ho an'ilay tanàgna maventy, Babylona, lay tanàgna mahery, fô amin'ny lera araiky de ho avy ny sazinaré.''11Iré mpivarotra ny tany de mitomagny sy misaogna ho ananjy, satrià tsisy ôlogno niady varotra ho ananjy intsony- 12varotra vôlamena, vôlafôtsy, vato sarobidy, firavaka, lamban-drongony tegna tsara, vôlomparasy, landy, mena, iré karazagna hazo ala, ny fanaka ivoara, ny fanaka jiaby vita avy amin'ny hazo sarobidy, varahigna, vy, marbra, 13kaneligna, raha-magnitra, ditin-kazo, miora, hagnitra, divay, menaka, koba tsara tôto, vary, biby fiompy ké ondry, soavaly sy kalesy, iré andevo sy fagnahin'ôlogno.14Ny vôkatra zay tianô tamin'ny herinô jiaby de hiala aminô. Ny entanà lafo vidy sy iré namirapiratra de nanjavogna, ké tsy ho hita intsony mandrakizay.15Ny mpivarotra iré entagna zay tônga mpanan-kariagna noho izy de hiala aminanjy lavitra nohon'ny fatahoragna ny fijaliany, hitomagny sy hisaogna mafy. 16Hivôlagna zaré ré hoe: ''Lôza, lôza ho an'ilay tanàgna maventy zay nagnatô akanjo tamin'ny lamban-drongony tegna tsara, vôloparasy, sy mena, ké noravahagna tamin'ny vôlamena, firavaka sarobidy, ké vatosoa! 17Agnatin'ny lera araiky de ho foagna izégny haregna jiaby izègny. ''Iré kapitenin-tsambo jiaby, iré mandeha egny ambônin'ny ranomasigna jiaby, tantsambo, sy zay jiaby monigna an-dranomasigna, de hijôro alavitra.18Nihiaka zaré ré kôfa vao nahita an'ilay setrokin'ny fahamaizagna. Nivôlagna zarè ré hoe: ''Tanàgna ino no karaha ny tanàgna maventy? 19Nanipy vovoka tegny an-dôhany izy, ké nihiaka mafy, nitomagny, sy nisaogna, nagnano hoe: ''Lôza, lôza ho an'ilay tanàgna maventy zay nisy an'iré jiaby nanagna iré sambo an-dranomasigna no tônga mpanan-kariagna avy amin'ny harenany. Fô takô agnaty lera araiky de simba izégny.'' 20''Mifalia aminanjy, ry lagnitra, anaré mpino, apostoly, ké mpaminagny, fô Andriamanitra nitôndra ny fitsaranaré taminanjy!''21Anjely mahery araiky naka vato karaha ny vato maventy ké nanipy izègny tagny an-dranomasigna, ké nivôlagna hoe: ''amin'izégny fômba izégny, Babylona, lay tanàgna maventy, harodagna arahigna herisetra, ké tsy ho hita intsony. 22Lay feo natôn'iré lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka sodigna, sy trompetra de tsy ho re akô aminô intsony. Tsy hisy feon'ny vato fikosoham-bary ho re intsony akè aminô.23Ny fahazavan'ny jiro, de tsy hamirapiratra akô aminô intsony. Iré feon'ny mpampakatra sy ampakarigna de tsy ho re akô aminô intsony, fô ny mpivarotraré no andrian'ny tany, ké iré firenegna de voafitaka tamin'ny famosavinaré. 24Takô aminanjy no nahitagna ny ràn'ilay mpaminany, sy irè mpino, ké ny ràn'iré jiaby zay voavono taketo an-tany.''

Chapter 19

1Tafaran'iré raha iré de nandre zay karaha ny feo mafin'ny vahoaka maro isa tagny an-dagnitra zaho nagnano hoe: ''Aleloia. Ny famonjegna, ny vôninahitra, ké ny hery de an'Andriamanitsika. 2Iré fitsarany de marigna sy mahitsy, fô nitsara ny mpivaro-tegna maventy zay nagnaratsy ny tany tamin'ny fijangajangany izy. Namaly faty ny ràn'iré mpanompony, zay nalatsany izy.''3Nivôlagna fagnindroiny zaré ré hoe: ''Aleloia! Ny setroka de miakatra avy aminanjy mandrakizay doria.'' 4Iré lohôlogno efatra amby roapolo sy iré raha-managn'aigna efatra de niankôhoka ké nanômpo an'Andriamanitra zay nipetraka také amin'ny sezy fiandrianagna. Ahozy zaré ré: ''Amena. Aleloia!''5De nisy feo nivoaka avy takô amin'ny sezy fiandrianagna, nagnano hoe: ''Derao Andriamanitsika, anaré jiaby mpanompony, anaré zay matahotra Ananjy, na ny tsy manan-danja na ny mahery.''6De naharegny zay karaha ny feon'ny ôlogno maro isa, karaha ny firohondrohon'ny rano maro, sy karaha ny fianjeran'ny kotroka mafy zaho, nagnano hoe: ''Aleloia! Fô manjaka ny Tompo, Andriamanitra zay manapaka amin'ny jiaby.7Ôka atsika hifaly sy ho ravoravo ké hagnamia voninahitra Ananjy satrià tônga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ké ny ampiakariny efa niomagna. 8Namiagna alalagna hagnatô akanjo rongony mamiratra sy madio izy'' (fô ny lamba rongony de iré asa marin'iré ôlo-masigna).9Lay anjely nivôlagna taminahy hoe: ''Soraty zao: Sambatra iré zay nasaigna tamin'ny fety fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Nivôlagna taminahy koà izy hoe: ''Iré de koragna marin'Andriamanitra.'' 10Niankôhoka také amin'ny tôngony mbô hanômpo ananjy zaho, fô ahozy izy taminahy: ''Aza magnano zao! Zaho de mpiara-manômpo aminô sy iré rahalahinô zay mitagna ny fijoroagna vavôlombelogno momba an'i Jesosy. Manompoa an'Andriamanitra, fô ny fijoroagna vavôlombelogna momba an'i Jesosy de ny fagnahin'ny faminaniagna.''11De nahita ny lagnitra nisôkatra zaho ké nizaha ké nisy soavaly fôtsy. Lay mpitaigigna izégny de nantsoigna hoe mahatôky sy marigna. Amin'ny fahamarignana no hitsarany sy hiadiany. 12Iré masony de karaha ny lelan'afo, ké aké amin'ny lôhany misy satro-bôninahitra maro. Managna agnaragna voasôratra aké aminanjy zay tsisy mahafantatra afa-tsy izy foagna izy. 13Magnatô akanjo lava zay natsoboka takô amin'ny rà izy, ké ny agnarany de nantsoigna hoe ny Tenin'Andriamanitra.14Iré tafiky ny lagnitra de nagnaraka ananjy tamin'ny soavaly fôtsy, magnatô lamba rongony, fotsy sy madio. 15Avaké amin'ny vavany no mivoaka ny sabatra maragnitra zay amin'izégny no hamelezany iré firenegna, ké hanapaka zaré ré amin'ny tehigna vy izy. Magnitsaka akô amin'ny famiazan'ny fahavigniran'ny fahatizeran'Andriamanitra tsitoha izy. 16Managna agnaragna vôsoratra aké amin'ny akanjo lavany aké amin'ny feny izy hoe: '' Mpanjakan'iré mpanjaka sy Tompon'iré Tompo.''17Nahita anjely nitsangagna také amin'ny masôva zaho. Nagnantso tamin'ny feo mahery iré vôrona magnidigna ambôny jiaby izy hoe: ''Avià, miangona ho an'ny fety lehiben'Andriamanitra. 18Avia ihinagna ny nofon'iré mpanjaka, ny nofon'iré mpitari-tafika, ny nofon'iré lalahy mahery, ny nofon'iré soavaly sy iré mpitaingina izégny, ké ny nofon'ny lalahy jiaby, ny afaka ndraiky andevo, ny tsy manan-danja ndraiky mahery.''19Nahita ny bibi-dia sy iré mpanjakan'ny tany niaraka tamin'ny tafiky zaré ré zaho. Niangogna zaré ré mbô hiady amin'ny araiky zay nitaingigna ny soavaly sy amin'ny tafiny. 20Vôsambotra lay bibi-dia ké niaraka taminanjy ny mpaminany sandoka zay nagnano iré famantaragna také agnatrehany. Tamin'iré famantaragna iré no namitahany iré zay nandray ny mariky ny bibi-dia sy iré zay nanompo ny sariny. Zarè roy de natsipy velogna takô agnaty farihin'afo mirehitra solifara.21Ny ambinjaré ré de novonoigna tamin'ny sabatra zay nivoaka ny vavan'ny araiky zay nitaingigna ny soavaly. Ny vorogna jiaby nihinagna ny nôfo mangatsiakanjaré ré.
Chapter 20

1Ké nahita anjely nidigna avy tagny an-dagnitra zaho. Nanagna ny fagnalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa izy, ké nanagna rojo vy maventy tegny an-tagnany. 2Nisambotra an'ilay dragogna izy, ny menaragna fahiny, lay devoly, na satana, ké nofatorany arivo taogna. 3Natsipiny tagny amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy, nafodiny izégny ké nasigna tômbo-kase také aminanjy. Natô izégny mbô tsy hamitahany ny firenegna maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taogna. Afaran'izègny, de tsy maintsy havotsotra fotoagna hely izy.4Kè nahita sezy fiandrianagna maro zaho. Nipetraka také amboniny iré zay namiagna fahefagna mitsara. Nahita ny fagnahin'iré zay notapahin-dôha zaho noho ny fijoroagna vavôlombelogna mahakasika an'i Jesosy ké nohon'ny tenin'Andriamanitra. Tsy niankôhoka tamin'ny bibi-dia na tamin'ny sariny zaré ré, ké izy iré de nandà ny handray ny mariky ny bibi-dia také amin'ny handriny na také amin'ny tagnany. Tônga velogna indray zaré rè, ké nanjaka niaraka tamin'i Kristy nandritran'ny arivo taogna.5Ny ambin'irè naty de tsy velogna mandra-pahatapitry ny arivo taogna. Izégny no fitsanganagna vôlôhany. 6Sambatra ké masina zay ôlogno managna anjara amin'ny fitsanganagna vôlôhany! Aké agnatrehan'izégny de tsy manan-kery ny fahafatesagna faharoy. Zaré ré de ho mpisôrogna an'Andriamanitra sy Kristy ké hanjaka miaraka Aminanjy mandritran'ny arivo taogna.7Kôfa tapitra ny arivo taogna, de hovahagna akô amin'ny tragnomaiziny Satana. 8Hivoaka izy mbô hamitaka ny firenegna maro egny amin'ny vazan-tany efatra—Goga sy Magoga—mbô hitôndra ananjy iré miraka ho agny amin'ny ady. Zarè ré de ho betsaka karaha ny fasiky ny ranomasigna.9Niakatra také ambônin'ny tany lemaka zarè ré ké nagnodidigna ny tobin'irè mpino, lay tanàgna malala. Nefa nisy afo nidigna avy tagny an-dagnitra ké nandripaka ananjy iré. 10Ny devoly, zay namitaka ananjy iré, de natsipy takô amin'ny farihy afo solifara, toeragna zay hanipazagna ny bibi-dia ndraiky mpaminagny sandoka. Ké ho ampijaliagna andro amagn'aligna mandrakizay ke mandrakizay zaré ré.11Ké nahita sezy fiandrianagna fôtsy maventy zaho sy lay nipetraka také ambôniny. Ny tany ndraiky lagnitra de nandositra ny fagnatrehany, kanefa tsisy toeragna andihananjaré ré. 12Nahita ny naty zaho —ny maventy ké ny hely—nijôro také agnoloan'ny sezy fiandrianagna, ké novelarigna iré boky. Ké nisy boky araiky novelarigna—Ny bokin'ny Fiainagna. Ny naty de notsaraigna araka zay voasôratra takô amin'iré boky, araka iré asany.13Ny ranomasigna namoaka ny naty zay takô agnatiny. Ny fahafatesagna sy iré fiainan-tsy hita de namoaka ny naty zay takô aminjaré ré, ké ny naty de notsaraigna araka ny raha natôny. 14Ny fahafatesagna ndraiky fiainan-tsy hita de natsipy takô amin'ny farihy afo. Izégny no fahafatesagna faharoy— de ny farihy afo. 15Ndraiky nisy agnaragna tsy hita voasôratra akô amin'ny Bokin'ny Fiainagna, de natsipy takô amin'ny farihy afo.
Chapter 21

1Avaké zaho nahita lagnitra vôvô sy tany vôvô, fô foagna ny lagnitra voalôhany ndraiky tany voalôhany, kè tsisy intsony ny ranomasigna. 2Hitako lay tanàgna masina, Jerosalema vôvô, zay nidigna avy agny an-dagnitra avy amin'Andriamanitra, voaômagna karaha ny ampakarigna ampihaingoagna ho an'ny vadiny.3Naharegny feo mahery avy agny amin'ny sezy fiandrianagna zaho magnano hoe: ''Io! Aké amin'ny ôlogno ny toeran'ny tabernakelin'Andriamanitra, ké hiaigna miaraka aminjaré ré izy. Ho ôlony zaré ré, ke Andriamanitra tegnany hiaraka aminjaré ré ké Izy ho Andriamanitry zaré ré. 4Hamafa ny ranomaso jiaby amin'ny masonjaré ré Izy, ké tsisy fahafatesagna intsony, na alahelo, na tomagny, na fanaintaignana. Efa lasa iré raha také alôha.5Lay araiky zay nipetraka také amin'ny sezy fiandrianagna nivôlagna hoe: ''Io! Natô vôvô ny raha jiaby. '' Ahozy Izy: ''Soraty zô Satrià iré tany iré de mahatoky sy marigna.'' 6Ahozy Izy taminahy hoe: ''Efa vita iré raha iré! Zaho no Alfa sy Omega, lay fiandohagna sy fiafaragna. Zay mangetaheta de hamiako ho sotroigna maimaim-poagna avy amin'ny lôharanon'ny fiainagna.7Zay mandresy de handova irè raha iré, ké Zaho no ho Andriamaniny, ké izy ho zanako. 8Fô iré osa, tsy manam-pinoagna, maharikoriko, mpamono ôlogno, mpijangajanga, mpagnano ody, mpanompo sampy, sy mpandainga, de agny amin'ny farihy mirehitr'afo solifara no toeranjaré ré. Izégny no fahafatesagna faharoy.''9Nagnatogna anahy ny araiky tamin'iré anjely fito, lay araiky zay nanagna iré lasety fito feno iré loza fito farany, kè ahozy izy hoe: ''Avy atô. Ho asehoko anà lay ampakarigna, lay vadin'ny Zanak'ondry.'' 10Avy aké nindosiny tamin'ny Fanahy tagny amin'ny tendrombohitra ambo zaho ké nasehony anahy lay Jerosalema tanàgna masigna midigna avy agny an-dagnitra avy amin'Andriamanitra.11Nanagna ny voninahitr'Andriamanitra i Jerosalema, ké ny famirapiratany de karaha ny vato soa sarobidy, karaha ny vato kristalina jaspy madio. 12Nanagna rindrigna ambo maventy niaraka tamin'ny vavahady roy ambin'ny fôlo izégny, niaraka tamin'ny anjely roy ambin'ny fôlo také amin'iré vavahady, Také amin'iré vavahady no voasôratra ny agnaran'iré fôko roy ambin'ny fôlon'ny zanak'Israely. 13Nisy vavahady telo také antsinagnana, vavahady telo také avaratra, vavahady telo také atsimo, ké vavahady telo takè andrefagna.14Nanagna fotoagna roy ambin'ny fôlo ny rindrin'ilay tanàgna, ké také amin'irè no nisy iré agnaragna roy ambin'ny fôlon'ny apostolin'ny Zanak'ondry. 15Lay araiky zay nivôlagna taminahy de nanagna fandrefesagna volotara vita tamin'ny vôlamena mbô handrefesagna ny tanàgna, iré vavahadiny, kè ny rindriny.16Karaha efa-joro lay tanàgna; mitôvy ny lavany ndraiky sakany. Nandrefy ny tanàgna tamin'ilay fandrefesagna volotara izy, roy arivo stadio ny lavany (mitôvy ny lavany, sakany, kè hahavony). 17Nandrefy ny rindrin'izégny koà izy, 114 hakiho kôfa refin'ny ôlogno (zay refin'ny anjely foagna koà).18Vita tamin'ny jaspy lay rindrigna ké tamin'ny vôlamena tsisy fangarony, karaha ny fitaratra madio. 19Ny fototr'ilay rindrigna de voaravaka tamin'iré karazagna vato sarobidy jiaby. Ny voalôhany de jaspy, ny faharoy safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda, 20ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faha araiky ambin'ny fôlo hyakinta, ny faha roy ambin'ny fôlo ametysta.21Ny vavahady roy ambin'ny fôlo de vato soa roy ambin'ny fôlo; ny tsiraikaraiky amin'irè vavahady de vita tamin'ny vato soa araiky. Iré lalam-be an-tanàgna de vôlamena tsisy fangarony, karaha ny fitaratra mangarahara. 22Tsy nahita tempoly takô amin'ny tanàgna zaho, satrià Tompo Andriamanitra tsitoha ndraiky Zanak'ondry no tempoliny.23Ny tanàgna de tsy nila masôva na volagna mbô hamirapiratra amin'izégny satrià ny vôninahin'Andriamanitra de namirapiratra tamin'izégny, ké ny Zanak'ondry no jiron'izégny. 24Handeha amin'ny fahazavan'izégny tanàgna izégny iré firenegna. Iré mpanjakan'ny tany de hitôndra ny fahatsaranjarè ré ho aké amin'izégny. (Fagnamarihagna: Ny antontan-taratasy talôha sanany de mivaky hoe: ''Iré firenegna zay vôvonjy de handeha amin'ny fahazavan'izégny tanàgna izégny.'') 25Tsy hidy iré vavahadin'izégny mandritry ny andro, ké tsy hisy aligna agny.26Hitôndra ny fahatsaragna ndraiky hajan'iré firenegna akô amin'izégny zaré ré, 27ké tsy hisy maloto hiditra akô amin'izégny mihitsy. Tsy hisy na zôvy na zôvy hagnano raha mahamegnatra na mamitaka hiditra akô, fô iré zay voasôratra agnaragna akô amin'ny Bokin'ny Zanak'ondrin'ny fiainagna foagna.
Chapter 22

1Kè nasehon'ilay anjely anahy lay onin'ny ranon'ny fiainagna, madio karaha ny kristaly. Izégny de mikoriagna avy agny amin'ny sezy fiandrianan'Andriamanitra ndraiky Zanak'ondry 2mamakivaky aké afovoan'ny lalan'ny tanàgna. Ké ny andagniny roy amin'ny ogny de samy misy lay hazon'ny fiainagna, mamoa karazagna voa roy ambin'ny fôlo, ké izégny de mamoa ny vôny isam-bôlagna. Ny ravin'izégny hazo izégny de natô hagnasitragna ny firenegna jiaby.3Ké tsy hisy intsony ny vôhozogna. Ny sezy fiandrianan'Andriamanitra ndraiky Zanak'ondry de ho an'ny tanàgna, ké iré mpanompony de hanompo Ananjy. 4Hahita ny Endriny zaré ré, ké ny Agnarany de ho aké amin'ny handrinjaré ré. 5Ké tsy hisy aligna intsony; zaré ré de tsy mila fahazavan'ny jiro na ny masôva intsony satrià ny Tompo Andriamanitra no hazava aké aminjaré rè. Ké hanjaka mandrakizay doria zaré ré.6Ahozy lay anjely taminahy: ''Iré teny iré de azo atokisagna sy marigna. Ny tompo, lay Andriamanitra fagnahin'iré mpaminany, de nandefa ny anjeliny mbô hampiseho zay raha tsy maintsy hitranga tsy ho ela amin'iré mpanompony.'' 7Io! Efa akaiky ny fihaviako! Sambatra zay manaiky iré tenin'ny faminaniagna amin'itô boky itô.''8Zaho, Jaona, lay araiky naharegny sy nahita iré raha iré. Kôfa naharegny sy nahita izégny zaho, de niakôhoka také amin'ny tongotr'ilay anjely ny tegnako mbô hidera ananjy, lay anjely zay nampiseho anahy iré raha iré. 9Ahozy izy taminahy: ''Aza magnano izégny! Fô mpanompo namanô miaraka aminô zaho, miaraka amin'iré mpaminagny rahalahinô, ké miaraka amin'iré zay mankàto iré tenin'itô boky itô. Miderà an'Andriamanitra!''10Ahozy izy taminahy: ''Aza asiagna tombo-kase iré tenin'ny faminaniagna amin'itô boky itô, fô antomotra ny fotoagna. 11Zay magnano ny tsy marigna, avelà izy hanohy ny tsy fahamarinagna. Zay maloto fiaigna, avelà izy hanohy ny fiaignany maloto. Zay marigna, avelà izy hanohy ny fanaovagna ny marigna. Zay masina, avelà izy hanohy ny fahamasinagna.''12"Io! Efa akaiky ny fihaviako. Ny valisoako de miaraka aminahy, mbô hamaliako ny tsiraikaraiky araka ny raha-vitany. 13Zaho no Alfa sy Omega, ny voalôhany ndraiky farany, ny fiandohagna ndraiky fiafaragna.14Sambatra iré zay manasa ny akanjonjaré ré mbô hahazo alalagna mihinagna avy amin'ny hazon'ny fiainagna sy hiditra akô amin'ny tanàgna avy aké amin'ny vavahady. (Fagnamarihagna: Kôfa tôkony: ''Sambatra iré zay manasa ny ankanjonjaré ré.'' Iré antontan-taratasy hafa talôha de mivaky hoe: ''Sambatra iré zay magnano ny didiny.'') 15Fô agny ivelany iré kivà, iré mpijangajanga, iré mpamono ologno, iré mpanompo sampy, ké zay jiaby tia mandainga sy iré mpandainga.16Zaho, Jesosy, de nandefa ny anjeliko mbô hagnambara aminarè iré raha ho an'iré fiangonagna. Zaho no fakany sy taranak'i Davida, lay kintagna mamirapiratra maraigna.''17Ny Fanahy ndraiky Ampakarigna magnano hoe: ''Avià!'' Ôka zay maharegny hivôlagna hoe: ''Avià!'' Na zôvy na zôvy mangetaheta, ôka izy hagnatogna, ké na zôvy na zôvy magniry izégny, ôka izy hahazo maimaim-poagna ny ranon'ny fiaignagna.18Zaho de magnambara amin'izay jiaby maharegny ny koragnan'ny faminaniagna amin'itô boky itô: ''Kôfa misy magnampy irè, Andriamanitra hagnampy loza ho ananjy zay voasôratra akô amin'itô boky itô. 19Kôfa misy magnaisotra ny koragnany faminaniagna amin'itô boky itô, Andriamanitra de hagnaisotra ny anjarany amin'ny hazon'ny fiaignagna ndraiky masina zay voasôratra akô agnatin'itô boky itô.'' (Fagnamarihagna: Ny antontan-taratasy talôha de mivaky hoe: ''Andriamanitra hagnaisotra ny anjarany akô amin'ny Bokin'ny Fiaignagna ké akô amin'ny tanàgna masina zay voasôratra akô amin'itô boky itô.'')20Ahozy lay araiky zay magnambara iré raha iré: ''Ia! Efa akaiky ny fihaviako.'' Amena! Tonga, ry Tompo Jesosy! 21Ho amin'ny ôlogno jiaby anie ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy. Amena.