To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit
http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Notices:
You do not have to comply with the license for elements of the material in
the public domain or where your use is permitted by an applicable
exception or limitation.
No warranties are given. The license may not give you all of the
permissions necessary for your intended use. For example, other rights
such as publicity, privacy, or moral rights may limit how you use the
material.
Mark
Chapter 1
1
Ity gne fiandohan'e filazantsaran'i Jesosy Kristy, e zanak'Andriamanitry.
2
Arak'e voasoratry amign'Isaia mpaminany hoe: "Itoa, iao magniraky e irako ialoha Anao, e raiky agnamboatry e lalagninao.
3
Misy feo regny mangaiky mafy latagny ame tany fôgny hoe: "Amboaro vonogny e lalagn'e Tompo; mahitsy e lalagn'ombany.'''
4
Avy Jaona, nagnano batisa tagny ame tany fôgny sady nitory gne batisan'e fibebahagny ho amin'e famelan-keloky gne ota.
5
Gne tanin'e Jodia agnaby sy gne fokonolo ao Jerosalema da avy nagnatogny an'azy. Naniny batisa tam'e ranon'i Jordana indreo, refa nagneky gne fahotany.
6
Nisikigny akanjo volon-drameva i Jaona ary nagnano etry hoditry tamin'e vaniany, sady valala sy titely remby gne noaniny.
7
Nagnambara izy hoe: "Misy raiky ho avy magnarak'anà zay mahery amboniko, ndre iao da tsy mendriky gne angalaky gne tadin'ny gne kapany azaky.
8
Iao nagnano batisa anareo tamin'e rano, fa Izy hagnano batisa anareo amin'e Fanahy Masina."
9
Tamign'e andro niavian'i Jesosy lata Nazareta ta Galilia gne niboan'izany. Sady nanin'i Jaona batisa tamin'e ranon'i Jordana Izy.
10
Raha niboaky gne rano Jesosy, da hitany nivoha gne lagnitry da nidigny tamin'Azy ako voromamanga gne Fagnahy.
11
Da nisy feo latan-dagnitry nagnano hoe: "Anao gne zanako malalako. Ekeko Anao."
12
Aveo da nindesin'gne Fagnahy tagny am'e tany fôgny Jesosy.
13
Efapolo andro Izy gne tagny am'e tany fôgny, nalaigny e devoly fagnahy. Niaigny niaraky tame bibidia Izy, ary nanompo an'Azy aby gne anjely.
14
Refa vôsambotry i Jaona, da tonga ta Galilia Jesosy nitory gne filazan-tsaran' Andriamanitry.
15
da nizaka hoe: "Efa avy gne fotoagny, da efa akaiky gne fanjakan'Andriamanitry. Mibebaha da minoa gne filazantsara."
16
Refa nandeha tamoron-dranomasin'i Galilia Izy, da nahita an'i Simona sy Andrea rahalahin'i Simona nagnarato, satria pagnarato indreo.
17
Hoy Jesosy tamin-dreo hoe: "Avia, magnaraha Anà, fa avadiko ho pagnarato olo anareo."
18
Tonga da nagnapetraky gne arato indreo da nagnaraky an'Azy.
19
Refa nandeha lavidavitry i Jesosy, da nahita an'i Jakoba zanak'i Zebedio sy Jaona ralàhany; izay t'ambony lakagny nagnambotry gne arato.
20
Nangaiky andreo Izy ka avy da nilozany t'ambony lakagny i Zebedio iabany niaraky tam'e mpiasa, ka nagnaraky an'Azy indreo.
21
Aveo da avy ta Kapernaomy tao indreo, ary tamign'andro Sabata, da nitsofoky tam'e synagoga Jesosy, da nampianatry.
22
Gaga tame fampianarany indreo satria nampianatry andreo akô gn'olo managny fahefagny Izy fa tsy akô gne panora-dalàgny.
23
Avy eo da nisy lelà raiky tam'e synagogan-dreo zay nanagny fagnahy maloto nizaka mafy,
24
nagnano hoe: "Ino gne ifandraisanay aminao, ry Jesosy lata Nazareta? Avy hamotika anay me Anao? Lalako hoe ia Anao. Anao e Masin'andriamanitry!"
25
Nizaka mafy gne demonia Jesosy hoe: "Mangigny da melà amin'azy!"
26
Da nandavo sy niala tamin'azy gne fagnahy maloto ka nimenimenigny tamin'e feo mahery.
27
Gaga agnaby gne fokonolo, ka nifagnotany hoe: "Ino ty? Fampianaragny vaovao misy fahefagny? Bekoiny ndre da gne fagnahy maloto azaky da magneky an'Azy indreo!"
28
Gne vaovao mikasiky an'Azy da niparitaky tam' e faritr'e Galilia raiky manontolo.
29
Refa nijotso gne synagoga, da avy tan-dragnon'i Simona sy Andrea indreo, niaraka tamin'i Jakoba sy Jaona.
30
Sady gne rafozam-bavin'i Simona da natory nararin'gne tazo, da nozakain-dreo an'i Jesosy gne mikasikan'azy.
31
Da nagnatogna Izy da nitagna an'azy tam'e tagnany, sady nagnarigny an'azy; tonga da nisinda gne tazony. Da nanomboky nanompo an'azy izy.
32
Tamin'io sondrognadro io, tafarany gne filetehany gne masoandro, da nindesin-dreo tamin'azy aby gne marary na gne misy tromba.
33
Tafalagnogny tam-barangaragny gne tanàgny raiky; manontolo.
34
Nagnasitragny olo maro nararin'gne aretigny maro karazany Izy da nandroaky demonia maro fa tsy napetrany ijaka gne demonia satria nahafantatry an'Azy indreo.
35
nifoha nandraigny be Izy, la mbola mijigny gne andro; nenga teo Izy ka nandeha tagny ame toeragny mitokagny da teo Izy gne nivavaky.
36
Nitady an'Azy i Simona sy indreo ze niaraky tamin'azy.
37
Nahita an'Azy indreo da nizaka tamin'azy hoe: "Mitady Anao aby gn'olo."
38
Da hoy Izy hoe: "Andao itsika ho agny ame toeran-kafa, agny ambadiky ame tanagny magnodidigny, mba ahafahako mitory teny agny avao koa. Fa izany gne antony nijotsoako taty."
39
Da nitety an'i Galilia aby Izy, nitory teny tame sinagogan-dreo sady nandroaky demonia maro.
40
Nisy boka raiky avy tamin'azy. Nandadilady tamin'azy izy; nandohalika tamin'Azy da nizaka tamin'Azy hoe: "La ekenao, da afaky magnadio anahy Anao.
41
Nafiraigny an'azy, da nagnapatry gne tagnany Jesosy da nikasika an'azy, nizaka tamin'azy hoe: "Ekeko. Madiova anao."
42
Tonga da nenga tamin'azy gne habokagny, da nadio izy.
43
Nampitandrigny mafy an'azy Jesosy da nandefa an'azy.
44
Hoy Izy tamin'azy hoe: "Tandremo tsy hijaka ndre ino ndre ino ndre amin'ia ndre amin'ia anao, fa mandiana, aboahy ame pisorogny e tegnanao da magnamboara fagnatitry tame fagnadiovagny anao araky gne nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroagny vavolombelogny ho andreo."
45
Fa nijotso izy da nanomboky nizaka tame fokonolo da nagnaparitaky gne zaka da tsy afaky gne niditry an-kahalalagny tame tanàgny sanaky koa Jesosy. Ka nandea tame toeragny mitokagny Izy da nagnatogny an'Azy gn'olo avy ame toeragny maro.
Chapter 2
1
1 Refa nipody tà kapernaomy izy tafarafara taty, da re fa t'andragno izy.
2
2Maro be gnolo nitangorogny tao da lasa tsy nisy nipetrahagny koa, ndre gne tambarangara aza, sady nagnambara tamindreo gne zaka Jesosy.
3
Da nisy lelà maromaro nagnatogny Anazy izay ninday lelà malemy raiky; izay nobatain'olo efa-dàhy.
4
Refa tsy afaky nagnatogny Azy akaiky indreo nohon'e hamarozan'e fokonolo, da nalaindreo gne tafotragno t'ambonin'i Jesosy,sady refa voasokatr'indreo, da nampidignin-dreo e fandria izay natorian'e lelà malemy.
5
5Laha nahita ny finoandreo izy, da hoy Jesosy tame lelà malemy hoe: "Anaka,voavela gne helokao."
6
Sady nisy sasany tamindreo mpanora-dalàgny nimpetraky eo, da nimenimenina tame fondreo hoe:
7
"Akognaia no ahafan'io lelà io mizaka ako izany? Mizaka ratsy izy! Fa tsy Andriamanitra raiky avao me e afaky mamela heloka?"
8
Fa Jesosy nahafantatry lahateo ame fagnahiny e râ noeritreretin-dreo. Sady hoy izy tamindreo hoe: "Nagnino anareo mieritreritra izany ao am-ponareo?
9
Ino gne moramora amin'azy mizaka e lelà malemy hoe:'Voavela gne helokao' sa gne hoe:'Mitsangàna, indeso ny fandrianao, ka mandehana'?
10
Fa ahafantaran-dreo fa managny fahefagny hamela heloka etoa an-tany zanak'olo," hoy Izy tamin'e malemy hoe:
11
"Zakaiko aminao, mitsangàna, indeso gne fandrianao, da nandeha agn ame tragnono".
12
Da nitsangagny izy ninday e fandriany avy hatrany, sady nijotso e tragno anatrehan'olo agnaby, da gaga gn'olo agnaby ary nagnome voninahitry an'Andriamanitra, sady hoy indreo hoe: "Tsy mbola nahita râ ako ity ahay."
13
Avy eo ninjotso tagny amoron-dranomasina indraiky Izy, sady nanantona anazy gne fokonolona, ka nampianarigny indreo.
14
Sady refa nandalo Izy da nahita an'i Levi zanak'i Alfeo nidoboko tamin'e toeragny fanangonana hetra, da hoy Izy tamin'azy hoe: "Magnara anà. "Da nitsangana izy ka nagnaraky Anazy.
15
Nihinagny tame tragnony Levy Jesosy miaraky ame mpandagno hetra sady gn'olo mpanota maro e niara-nihinagny tamin'azy miaraky ame mpianatriny, fa maro indreo tagny nagnaraky Anazy.
16
Sady indreo mpanora-dalàgny, e Fariseo,refa nahita an'i Jesosy niaraky nihinagny tamindreo gn'olo mpanota miaraky tame mpandagno hetra, da nagnotany e mpianatriny hoe: "Nagnino Izy miaraky mihinagny ame mpandagno hetra sady gn'olo mpanota?"
17
Refa nahare izany Jesosy da hoy Izy tamin-dreo hoe: "Tsy gne salama e mitadia mpitsabo; fa izay marary raiky avao e mitadia anazy. Tsy avy angaiky gn'olo marigny Iao,fa gn'olo mpanota."
18
Sady nifady hanigny indreo mpianatr'i Jaona miaraky ame Fariseo. Lelà maromaro e nagnatogny Anazy da nizaka hoe: "Nagnino gne mpianatr'i Jaona izy ame mpianatr'indreo Fariseo gne mifady hanigny, fa gne mifady hanigny, fa gne mpianatrao koa tsy mba mifady hanigny?"
19
Da hoy Jesosy tamindreo hoe: "Afaky mifady hanigny gne mpanatriky e fampakaragny raha mbola eo gne mpampkatry, da tsy afaky mifady hanigny indreo.
20
Ho avy gn'andro angalagny mpampakatry amindreo, da amin'zay andro zay, gne hifady hanigny indreo. 21 Tsy misy manampigny lamba tota ame lamba vaovao, raha tsy izany da hiala ame tapa-damba, gne vaovao hiala ame taloha, sady vao maiky ratsy gne faharovitany.
22
Da tsy misy olo magnisy divay vaovao agnatiny siny hoditra efa tota, raha tsy izany da ho lasa ho rivotry e divay gne hoditra ka samy ho very ny divay sy gne siny hoditra.Fa izy divay vaovao atao anaty siny vaovao."
23
Tamign'andro sabata Jesosy nandeha tagny ame tanimbary maromaro, sady nanomboka nihila salohimbary gne mpianatriny.
24
Da hoy gne Fariseo tamin'azy: "Taragno, nagnino indreo magnano raha tsy araky ny lalan'e gn' andro sabata?"
25
Da hoy Izy tamindreo hoe: "Mbola tsy novakianareo kaikay e nataon'i Davida tame tsy fahampiagny sy gne mosary igny- sady e lelà niaraky tamin'azy-
26
Ino ny fomba idiragny ame tragnon'Andriamanitry ame andron'Iabitara mpisoronabe, da nihinagny mofonigny ho fanatrehagny, zay tsy ara-dalàna na iza na iza mihinagny anazy afa-tsy gne mpisorona avao, sady mbola nagnomezagny maro e niaraky tamine aza?"
27
Jesosy nizaka hoe: " Gne Sabata da namboarina hoan' ny zanak'olombelogny, fa tsy ny zanak'olombelogny hoan'ny Sabata.
28
Nohon'izany, e Zanak'Olo gne Tompo, na da ame Sabata aza."
Chapter 3
1
Da nandeha tamé synagoga i Jesosy sady nahita lelà maty tàgnagny tao.
2
Nagnety mariny an'Azy e olo sasantsasany mba hahita e hagnasitragnagny an'azy amin'e Sabata Izy mba ahazoandreo magnameloky an'Azy.
3
Hoy jesosy tamin'ity lelà maty tagnagny ity hoe: "Mitsangàna da mijoroa etoa ategnategnan'olo agnaby etoa."
4
Da nizaka tamin'e olo izy hoe: "Ara-dàlagny me e magnano tsara amin'e andro sabata sa e magnano ratsy; e magnavotr'aigny, sa e mahafaty?" Ndre indreo tsy nahavagno nizaka.
5
Nagnety andreo tamin-kavigniragny i Jesosy, sady nalahelo Izy nohon'e hamafin'e fo ndreo, da nizaka tamin'ity lelà ity izy hoe: "Ampahitsio e tagnanao." Da namparin'ity lelà ity e tagnany da sitragny.
6
Nijotso e fariseo sady nivitsikitsiky nalaky niaraky tamin'e Herodiana hitady e fomba hamonoagny an'Azy.
7
Avy teo Jesosy, niaraky tamin'e mpianatriny, nandeha an-dranomasigny, sady nisy fokonolo maro nagnaraky avy tagny Galilia sy Jodia
8
da avy tagny Jerosalema sy Edoma da nahatratry e ranon'i Jordana sy e magnodidigny an'i Tyra sy Sidona. Refa naharegny e momba e raha namboarindreo, da nisy fokonolona maro nagnatogny Azy.
9
Da nampitady lakagny e mpianatriny Jesosy ho an'Azy nohon'e hamaroan'e olo teo, mba tsy hampifapisisiky e olo Izy.
10
Noho Izy nagnasitragny gne olo maro, da nifarombaky nagnatogny an'Azy e olo agnaby e nanagny aretigny mba hikasiky an'Azy.
11
Isaky e mahita an'Azy e devoly, da nandoaliky alohany teo sady nitoreo, da hoy indreo se: "Anao e zanak'Andriamanitry."
12
Nozakaniny mafy indreo mba tsy hampahafantatry an'Azy.
13
Niakatry tagny ambonin'e vohitra Izy, da nangaiky andreo tiany, da nandeha amin'Azy indreo.
14
Nanendry andreo roa ambinifolo lahy (izay nangiany hoe Apostoly), Mba hahafahandreo miaraky aminy sy hahafahany mandefa andreo hitory ny hafatriny,
15
sady hanagna-ndreo fahefagny handroaky e devoly.
16
Avy teo da nanendry andreo roa ambinifolo Izy; Simona, e nomegny agnarana hoe Petera;
17
Jakoba zanak'i Zebedio sy i Jaona rahalany, e nomegny e agnaragny hoe Baonarijesy, e midika, zana-baratra;
18
da i Andrea, filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, simona zelota,
19
da Jodasy Iskariota, e hamadiky an'Azy.
20
Da nody tandragno Izy, da niaraky avy indraiky e fokonolo, hagny ka tsy afaky nihinagny etsana indreo.
21
Refa naregny e momban' izany gne havany, da nijotso indreo hangala an'Azy,satria nozakan'indreo hoe: "Mola Izy."
22
Da e mpanora-dalana nidigny tagny Jerosalema da nizaka fa: "Ipetrahan'i Belzaboba Izy", da "amignalalan'e devoly gn'androahany e devoly."
23
Da nangian'i Jesosy handeha amin'Azy indreo da nizaka andreo tamin'e alalan'e fagnoharany hoe: "Akôry e hahafahan'e satana mandroaky an'e Satana?
24
Raha misy fanjakagny miady andragno, da ho rava izany.
25
Da raha misy tokan-tragno miady andragno, da tsy haharitry izany tokan-tragno izany.
26
Raha nitsangagny nanohitry gne tegnany e Satana sady nisaraky, da tsy haharitry, da hifaragny.
27
Fa tsisy mahazo miditra andragnon'e lelà raiky matanjaky sady mangalatry e fanagnany raha tsy mavoafehy e matanjaky aloha, zay vao mamaky e tragnony izy avy eo.
28
Zakaiko marina aminareo, ho vôvela gne otan'e zanak'olombelogny, izy ame zaka ratsy agnamby avoakin'e vavany,
29
fa gne mizaka ratsy e Fagnahy Masigny kosa, da tsy ho voavela heloky mihitsy, fa ratsy mandrakizay."
30
Nagnambara izany i Jesosy nohon'e fizakandreo: "Managny Fagnahy ratsy Izy."
31
Avy eo da avy i endriny izy ame rahalàny da nitsangagny t'atàny. Nandefa olo nampafantatry an'Azy indreo, da nampangaiky an'Azy.
32
Nipetraky magnodidigny an'Azy e fokonolo da hoy indreo tamin'Azy hoe: "I endrinao izy ame rahalànao da atàny gnao, sady mitady Anao indreo."
33
Namaly Izy hoe: "Ia me i endriko izy ame rahalàko?"
34
Sady nagnety olo magnodidigny an'Azy Izy da hoy izy hoe: "Iteo, itoa i endriko sy e rahalàko!
35
Ndre ia ndre ia e magnano e sitrapon'Andriamanitry, da izany olo izany e ralahàko, da anakaviko, da i endriko."
Chapter 4
1
Da nanomboky nampianatry t'amoron-dranomasigny indraiky Izy, da nisy fokonolo marobe nitangorogny nagnodidigny an'Azy. Niditry tagnatiny e lakagny izay t'andranomasigny Izy, da nidoboky tao Izy. E fokonolo agnaby avakoa da nijanogny t'amoron-dranomasigny.
2
Nampianatry andreo raha maro tamign'alalan' e fagnoharagny Izy, sady tamin'e fampianaragny, da ity e nozakainy tamindreo.
3
"Tenomy, nisy mpamafy handeha hamafy voa.
4
Da raha namafy izy, da nisy voa sasany niraraky tame lalàgny, da avy e vorogny sady nihinagny an'azy.
5
E voa sasany niraraky tame tany feno vatovato, izay tsisy tany lotry. Avy da nitsimoky indreo, satria tsy laligny e tany nisy an'azy.
6
Fa refa niboaky e masoandro, da nalazo indreo, satria tsisy vatriny indreo, da maigny.
7
E voa hafa niraraky tame tany feneo fatsy. Da nitsimoky nezakabe io fatsy io da nangejagny an'azy, da tsy namoa voa.
8
Gne voa hafa niraraky tame tany tsara da namokatry t'am-pitomboagny da nemaro, da gne sasany nanagny isiky telopolo agny, e sasany enimpolo, da e sasany zato. "
9
Avy eo da nizaka izy hoe: "Izay managny tadigny afaky hitenomagny, da aleo izy hiteno!".
10
Refa raiky igny i jesosy, da nagnontany an'Azy momba an'io fagnoharagny io indreo takeky an'Azy miaraky ame pianatriny roambinifolo.
11
Hoy Izy tamindreo hoe: " Ho anareo e nagnomezagny e raha mifiny ame fanjakan' Andriamanitry. Fa ho andreo ambadiky agny da fagnoharagny agnaby izany,
12
mba ame fotoagny hagnitendreo, da agnety indreo, fa tsy ahita, sady ame fotoagny hitenomandreo, da ahare indreo,fa tsy hahafantatry izany, ndre
hiodigny indreo da hamindra fo amindreo Andriamanitry ".
13
Da hoy izy tamindreo se: "Tsy hazonareo me izany fagnoharagny izany? da akoignaia izany gne hahazoanareo e ohatry maro hafa sa?
14
E mpamboly mamafy e voa da ilay tokagny izay mamafy e zaka.
15
da akoitoa e niraraky tame lalagny, izay namafazagny e zaka, fa vatany vo rendreo izay da avy e Satana da angalatry gne zaka izay voafafy tamindreo.
16
Itoa e voafafy tame tany be vatovato, izay, refa nahare gne teny da avy da nandray izany tame fifaliagny.
17
Tsy misy vatriny ao amindreo, fa maharitry fotoagny kidikidy avao. Da avy gne fahoriagny na gne fagnenjehagny avy ame zaka, da avy da lavo indreo.
18
Gne hafa ankohatry gne voafafy tame tany feno fatsy. Rendreo gne zaka,
19
fa gne fagnahin'izao tontolo izao, gne famitahany gnaregny, sy gne filagny gne raha hafa da tafiditry ka manempotry gne zaka,da tsy mamoha vokatry izany.
20
Fa ireo voafafy tame tany tsara da izay nahare e zaka ary nitazogny an'azy. ka namoa vokatry indreo_ telopolo, enimpolo na avo zato agnin'izay nafafy."
21
I Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Gne jiro me k'indesinareo andragno mba hoaninareo ambany sobiky? na ambany farafara? Indesinao miditry izany da apetrakinao ame fidobohan'e jiro.
22
Fa tsisy raha mifiny tsy ho fantatry, da tsisy avakoa gne tsiambaratelo tsy hiboaky.
23
Raha misy mana tadigny afaky hitenomagny, da aleo izy hiteno!"
24
Da hoy izy tamindreo hoe: " mitandrema ame teny izay renareo, fa arakaraky gne ohatry agnoharanareo avao, gne hagnoharagny anareo, da ho tovanagny aminareo izany.
25
Satria ndre ia ndre ia managny, da omegny zakabe kokoa izy, fa ndre ia ndre ia tsy managny, ndre gne izay anagnany aza da alaigny gne amin'azy."
26
Da nizaka avakoa izy hoe: "gne fanjakan' Andriamanitry da ako gne olo raiky mamafy gne voany ame tany.
27
Matory izy ame gnaligny, da mifoa izy ame mandraigny, ka gne voa da mitsimoky ka maniry, fa tsy lalany hoe akognaia.
28
Gne tany da mamoa ame tegnany avao: voalahany da gne rantsany, aveo gne tahony, avy eo gne isiky antitry ame tahony.
29
Da refa antitry gne isiky da avy hatragny izy da handefa fihilagny, fa efa avy gne fotogny fihilagny."
30
Da nizaka indraiky izy hoe: "ino gne azon tsika ampitahagny ame fanjakan' Andriamanitry, na ino e fagnoharagny ampesahintsika hagnazavagny an'izany?
31
Izany da ako gne voatsinapy izay, refa hafafy, da izy gne voa faran'e kidy ame voa agnaby ambonin'e tany.
32
Nefa raha voafafy izany, da mitsimoky ka lasa zakabe mihoatry e kakazo agnaby da mamoa rantsagny zakabe, ka azon'e vorogny agnamboaragny gne tragnony ame alokalokiny."
33
Da fagnoharagny maro akoizany e nagnambarany gne zaka tamindreo, araky izay fahazahoandreo an'azy,
34
da tsy nizaka tamindreo afa tsy tamin'e fagnoharagny izy. Fa refa izy raiky igny, da nazavainy tamindreo mpianatriny manokagny gne raha agnaby.
35
Tamin'izany andro izany, refa avy gnaligny, da hoy izy tamindreo hoe: "Atsik'antsika hitsaky agnilany eriky."
36
ka niala tame fokonolo indreo, ninday an' i Jesosy niaraky tamindreo, igny izy tagnatiny e lakagny igny. Nisy lakagny hafa nandeha niaraky taminazy.
37
Avy teo da nanomboky nisy tafio-drivotry be da gne onjan-drano nanafotry gne lakagny ka saiky ho difotry gne rano gne lakagny.
38
Da i Jesosy raiky avao e natory tame vodin-dakagny, tambonin'e ondagny. Da nifohaz'indreo Izy nagnano hoe: "Mpampianatry ô , tsy mampagnino anao me raha hofaty etoa antsika?"
39
da nifoha Izy, da nizaka mafy tame rivotry, da nizaka tame ranomasigny hoe: "mijanona! milamigna!" Da nijanogny e rivotry, da nisy filaminagny be.
40
Da hoy izy tamindreo hoe: "Nagnino me anareo raha matahotry? mbola tsy manam pinoagny avao me anareo?"
41
Nivady fo be indreo ka nifampizaka hoe: "Ia me ity, fa ndre gne rivotry ame ranomasigny aza da magneky an'Azy?"
Chapter 5
1
Avy teragnilan'e ranomasigny indreo, tamign'e faritr'i Gerasena.
2
Refa niala lat'amin'e lakagny Jesosy, tonga da nisy lelà raiky nidiran'e devoly nagnatogny Anazy lat'ame kobory.
3
Nidoboky tamin'e kobory ity lelà ty. Tsy vôtagny sanaky izy, ndre da tamin'e rojo vy.
4
Matetiky vôfe tamin'e gadra vy izy ame rojo vy izy. Nitapahany aby gne rojo da potika gne gadra vy. Tsy nisy olo natagny anazy.
5
Isan'andro isak'aligny gname kobory izy ame vohitry, da nitorotoreo izy sady nandratry gne tegnany tamin'e vato marangitry.
6
Refa nahita an'i Jesosy mbola lavitry izy, da niezakazaky negnaminazy sady nandoaliky tagniloany.
7
Sady Nizaka tamin'e feo mafy be izy hoe: "Ino me gne ifandraisako aminao, Jesosy, zanak'Andriamanitra Ambony indrindra? Miangavy anao amign'agnaran'Andriamanita raiky iao, k'ampijaligny iao."
8
Fa izy nizaka taminazy hoe: "Melà an'io lelà io anao, devoly"
9
Da nagnotany anazy izy hoe: " Ia gne agnaranao?" Da nivaliny hoe: "Legiona gne agnarako, satria marobe iay."
10
Sady niangavy mafy anazy avao izy tsy handrôky andreo ambadike faritry.
11
Da nisy lambo maromaro nihinagny tame vohitry tegny,
12
sady niangavy taminazy indreo, nagnano hoe: "Alefaso amin'io lambo io iay, apetray iay hiditry amindreo ao."
13
Da napetrany indreo; da niala aby gne devoly sady niditry tamine lambo aby, avy eo da nipitsiky negname ranomasigny indreo, lambo teo ame roa arivo teo gne maty an-dranomasigny.
14
Nandeha nilefa indreo mpamahagny lambo sady nitantara gne rà-hitany tà-tanagny izy ame tambanivolo tagny, da olo maro gne nijotso nagnety gne rà-nisy.
15
Avy eo indreo nagnantogny an'i Jesosy da hitandreo teo igny lelà nipetrane demonia igny, igny raiky nipetran'ny legiona igny, nidoboky teo, nisiky sady feno fagnà; da nalia indreo.
16
Indreo izay nahita gne rà-nisy tamin'igny lelà nipetrane demonia igny da nitantara tamindreo gne momba anizany tamine antsipirihany, sady nitantara tamindreo agnaby avakoa gne momban'e lambo.
17
Da nanomboky niangavy Anazy indreo mba hialany amin'e faritrindreo.
18
Refa hitikigny an-dakagny Izy, da niangavy Anazy igny lelà nipetrane devoly igny mba hiaraky aminazy.
19
Saingy tsy nagnome Anazy i Jesosy, fa nagnano taminazy hoe: "Mandehana mody amin'e tragnonao izy ame fianakavianao da tanatarao andreo zay nanin'ny Tompo taminao, izy ame nandikany fo taminao!"
20
Da lasa nody Izy sady nanomboko nagnambara gne rà-zakabe izay nanin'i Jesosy taminazy tà Dekapolisy, da gaga aby gn'olo.
21
Refa nandeha teragnilany indraiky Jesosy, tamin'e lakagny, da io nisy fokonolo maro be nilagno nagnodidigny Anazy, raha tamoron-dranomasigny igny Izy.
22
Avy eo da avy gne raiky tamindreo mpitariky gne Synagoga, atao hoe Jairo, ndreky vô nahita Anazy, da niondriky tamin'e tombokiny.
23
Nandadilady koa Izy, nagnano hoe: "Marary mafy efa ho faty gne zanako viavy. Milela-paladia aminao iao, avia da apetraho aminazy gne tagnanao mba ho sitragny sady ho velogny Izy."
24
Nandeha niaraky taminazy Izy, da fokonolo maro be gne nagnaraky sady namalavala nagnodidigny Anazy.
25
Nisy viavy raiky nandeha rà-lava nandritry gne roambinifolo taogny.
26
Nijaly tokôtry Izy da nagnatogny mpitsabo maro Izy sady nandany gne fanagnany agnaby,nefa tsy nahita fahasitragnagny fa vô maiky neratsy.
27
Refa nahare gne tatitry momban'i Jesosy Izy, da nandeha tafarany tagnatine fokonolo tao Izy sady nikitiky gne raisikiny.
28
Satria ho izy hoe: "Raha mahavôkasiky gne lambany fotsiny iao, da ho sitragny."
29
Refa nikasiky Anazy Izy, da nijanogny gne rà-very, sady tsarony lat'agnatiny fa sitragny tamin'e aretigny Izy.
30
Fantatr'i Jesosy niaraky tam'zay fa nisy hery niala lat'Aminazy. Nitodiky tamin'e fokonolo Izy sady nizaka hoe: "Ia gne nikasiky gne raisikiko?"
31
Da namaly Anazy indreo mpianatriny hoe: "Hitanao io fokonolo marobe mifanisiky amnao io, da mbola agnotanianao hoe: "Ia gne nikasiky anao."
32
Da nagnety gne magnodidigny Anazy Jesosy mba hahitany izay nagnano anizany.
33
Igny viavy, nahalala gne ra nisy taminazy igny, da nalia sady nangitakitaky. Nandeha Izy sady nandadilady tagnoloan'I Jesosy da nizaka taminazy gne marina agnaby.
34
Da hoy Jesosy taminazy hoe: "Anaky, gne finoanao gne nahasitragny anao. Mandehana amin'e fiadagnagny da sitràgna amign' aretinao."
35
Raha mbola nizaka Izy, da avy gne olo sasany lat'amin'e mpitariky an'i Synagoga, nagnano hoe: "Efa maty gne zanakao. Nagnino gne mbola manahiragny gne mpampianatry avao?".
36
Da refa naharegny gne ra nizakaindreo i Jesosy, da hoy Izy tamin'igny mpitariky an'i Synagoga igny hoe: "Ka malia. Minoa avao."
37
Sady tsy nisy navelany hiaraky amin'azy, afa-tsy Petera, Jakoba, da i Jaona, rahalahin'i Jakoba.
38
Avy andragnon'igny mpitariky an'i Synagoga igny indreo da nahita olo naresaky be Izy; nitomagny sady nibabababa mafy indreo.
39
Refa niditry e tragno Izy, da hoy Izy tamindreo hoe: "Nagnino anareo maresaky sady mitomagny? Tsy maty gne zaza fa matory."
40
Niomehy Anazy indreo. Nefa najotsony tatany aby indreo sady nangalaky an'ny aba am'iendrin'igny zaza igny izy amin'e olo niaraky taminazy, sady niditry tamin'e efitry nisy anigny zaza igny.
41
Nalainy gne tagnan'igny zaza igny da nizaka taminazy hoe: "Talita,Komy!" raha avadiky hoe: "Razazaviavy, mizaka aminao iao, mitsangàna."
42
Avy da nitsangagny razazaviavy sady nandeha (satria roa ambin'ny folo taogny Izy). Gaga agnaby indreo.
43
Noraràgny mafy indreo mba tsy hisy hahalala na ia na ia gne momba anio. Avy eo da nampagnomeziny hanigny razazaviavy.
Chapter 6
1
Niala an'io toeragny io Izy da nipody t'an-tanindrazany, da nagnaraky an'Azy gne mpianatriny.
2
Da refa avy gn'andro sabata, da nampianatry tame synagoga Izy. Maro e olo naharegny an'Azy ka da gaga. Hoy indreo se: "Lataia gne nazahoany izany fampianaragny izany sa?" "Ino koa io fahendregny nomeny an'Azy io?" "Ino aby ity fahagagagny namboarigny tame tagnany ity?"
3
"Tsy gne mpandrafitry igny me io, gne zanak'i Maria ary rahalàhin'i Jakoba izy am'i Josesy, Jodasy da Simona? Tsy gn'anakaviny avao koa gn'amitsika etoa io?" Vignitry tam'i Jesosy indreo.
4
Da hoy i Jesosy tamin-dreo: "Ts'isy mpaminany tsy omegny haja, afa tsy ame tanindrazany sy ame gn'havany akeky an'azy sady ame ankohonagny manokagny avao."
5
Tsy afaky nagnano asa mahagaga Izy, afa tsy gne fametrahany tagna ame marary mahalagny da magnasitragny andreo.
6
Gaga nohon'gne tsy finoan-dreo Izy. Aveo da nandeha nagnodidigny gne tanagny Izy hampianatry.
7
Aveo da nangaiky andreo roa ambin'ny folo lahy Izy da nanomboky nagniraky andreo tsiroiroy, sady nomeny fahefagny tame fagnahy maloto indreo,
8
da nandidy andreo tsy hinday vatsy ame lalagny andianany, na mofo, natakepaky, na vola amign'etrin-dreo_ afa tsy angira avao_
9
fa agnano kapa, da ts'hagnano akanjo roy.
10
Hoy Izy tamindreo: "Ndre ovia ndre ovia anareo miditry an-dragnon'olo raiky da midoboa ao mandra-pelanareo agny.
11
Sady raha misy tanagny tsy mandray anareo na miteno anareo, ka miala teo anareo da popozy gne vovoky ame tongotrareo mba ho fijoroagny vavolombelogny amin-dreo."
12
Da nandeha indreo da nitory fa gn'olo da tokony hibebaky ame fahotagny.
13
Nandroaky demonia maro indreo, da nagnosotry marary maro tame menaky ka nagnasitragny an'azy.
14
Regnin'i Heroda mpanjaka zany, satria da lasa nalaza gn'agnaran'i Jesosy. Gne sasany nizaka nagnano hoe: "Nitsangana tame maty i Jaona mpagnano batisa da noho izany da gn'heriny gne miasa agnatiny io."
15
Da hoy koa gne sasany hoe: "Elia Izy." Gne sasany mbola mizaka nagnano hoe: "Mpaminagny Izy, akô gne mpaminagny taloha agnaby io."
16
Fa refa naregny an'izany Heroda da hoy izy nagnano hoe: "Jaona, e notapaiko loha, gne hitsangana tame maty."
17
Fa Heroda e nampanambotry an'i Jaona da nandefa an'azy tam-pigadragny nony gne resaky momba gne Herodiasy (vadin'i Filipo rahalahiny), satria niaraky tamin'azy izy.
18
Fa Jaona nizaka an'i Heroda hoe: "Tsy nagnaraky gne lalagny gne hanambadiananao gne vadin'e rehalahinao."
19
Fa vignitry tamin'azy Herodiasy ka nitady zay hamonoagny an'azy, kanefa tsy afaky,
20
noho gne fatahoran'i Heroda an'i Jaona; Lalany fa olo marigny sy feno fahamasinagny izy, da niaro an'azy izy. Nanahiran-tsaigny an'azy gne fitenomagny an'azy, kanefa da mbola niteno an'azy tame hafaliagny izy.
21
aveo da nisy iriky tamign'e fitsingerenan'e taogny nahateran'i Heroda ka nagnano fagnasagny ho an'e manam-pahefagny tao Galilia izy.
22
Da niditry gn'efitragno fagnasagny e zanaka vavin'i Herodiasy sady nandihy ho andreo, da nafinaritry an'i Heroda izy ame vahiny nasaigny izy. Da hoy gne mpanjaka tamin'i razazavavy nagnano hoe: "Angatay aminà zay tianao aby da ameko anao zany."
23
Da nitangegny tamin'azy izy hoe: "Ndre ino ndre ino angatahinao aminà, da omeko anao, ndre gn'asasakigne fanjakako."
24
Da nijotso izy da nizaka tamin'i endriny nagnano hoe: "Ino gne raha angatahiko amin'azy?" Da hoy i endriny nagnano tamin'azy hoe: "Gne lohan'i Jaona mpagnano batisa."
25
Avy da nipody tame mpanjaka izy, ka nagataky, nagnano hoe: "Ataovy ambony lasety gne lohan'i Jaona mpagnano batisa da omeo anà."
26
Ndre da nampalahelo be gne mpanjaka izany, da tsy afaky nanda gne hatakany izy nony gne tangegny nataony sy noho gne vahiny nasaigny tame fisakafoanagny.
27
Fa nodidiagny gne miaramila raiky tame mpiambigny an'e mpanjaka mba inday gne lohan'i Jaona ho amin'azy. Da nandeha igny mpiambigny igny nanapaky gne lohany tampigadragny.
28
Da nentiny an-dasety gne lohany ary da nomeny an'igny zazaviavy igny, da nomeny an'i endriny izany.
29
Refa naregny an'izany gne mpianatriny, da tonga nangalaky e fatiny ka nandevogny an' izany t'an-kobory.
30
Nipody tagny am'i Jesosy gne apôstôly da nitantara tamin'azy gne raha vitan-dreo sy gne nampianarin-dreo.
31
Da hoy Izy tamin-dreo nagnano hoe: "Andatsika itsika ho agny ame tany fôgny da hiala valaky kidikidy." Fa maro gn'olo mivezivezy, sady tsy managny fotoagny ihinanagny indreo.
32
Da nandeha lakagny indreo ho agny ame tany fôgny.
33
Fa indreo nahita andreo nandeha sady maro gne nahafantatry andreo, da niaraky nezakazaky an-tomboky avy tamin'e tanagny aby indreo, sady tonga teo talohan-dreo.
34
Refa avy tegny ame sisiny indreo, da nahita fokonolo Izy da firaigny andreo Izy satria d'akô gn'ondry ts'isy mpiambigny indreo. Ka nanomboky nampianatry raha maro Izy.
35
Sady raha ariva gn'andro, da nagnatogny an'Azy gne mpianatriny da nizaka nagnano hoe: "Toeragny fôgny ty ary gn'andro efa ho aligny.
36
Alefaso indreo mba andeha ame vohitry sy tanàgny magnodidigny hividy hanigny ho an' gne tegnan-dreo."
37
Fa namaly Izy tamin-dreo nagnano hoe: "Omenareo raha hoanigny indreo." Da hoy indreo tamin'Azy: "Afaky mandeha mividy gne mofo azon'e denaria roanjato iay da hagnome an'izany andreo hoanigny?"
38
Da hoy Izy tamin-dreo: "Firy gne mofo anagnanareo? Mandehana da taragno." Refa itany, da hoy indreo hoe: "Mofo dimy sy laokandrano roy."
39
Da nandidy gn'olo aby mba hidoboky tsitikotoko tame ahitry metso Izy.
40
Da nidoboky nitsitokotoko indreo; toko zato sy dimampolo.
41
Nangala gne mofo dimy sy laokandrano roy Izy, da nagnety gne lagnitry da nisaotry ka nizarazara gne mofo ary nagnome izany tame mpianatry mba omegny gn'olo. Nozarainy koa gne laokandrano roy ho an'azy agnaby.
42
Da nihinagny agnaby izy aby mandra-pahavoky andreo.
43
Nalain-dreo gne sisan'e mofo da nahafeno roy ambin'ny folo harogny milongolongo, ary koa gne sisan'e laokandrano.
44
Nisy dimy arivo gne lelà nihinagny e mofo.
45
Teo no ho eo da napekeriny tame lakagny gne mpianatriny mba hitsaky alohany egny agnilany, ho agny Betsaida, refa nandefa gne fokonolo Izy.
46
Refa lasa indreo, da nandeha nivavaky t'an-tedrombohitry Izy.
47
Aligny e andro, sady efa tategnategnan'e ranomasigny gne lakagny, fa izy raiky avao gne tambositry.
48
Ary hitany fa sairagny mafy indreo nivehy gne lakagny, satria nanohitry mafy andreo gne rivotry. Teo ho eo ame ora fiambenagny fahefatry gne aligny da nagnatogny andreo Izy, nandeha tambonign' e ranomasigny, ary ta handalo t'amin-dreo Izy.
49
Fa refa nahita an'Azy nandeha tambonign'e ranomasigny indreo, da nanin-dreo ho angatry Izy da nitoreo agnaby indreo,
50
satria nahita an'Azy indreo da nalia. Teo no ho eo da nizaka tamin-dreo Izy ka nagnano tamin-dreo hoe: "Matokisa! Iao avao tiky! Aza matahotry!"
51
Ary nitikigny lakagny niaraky tamin-dreo Izy, da nisigny gne rivotry. Da gaga tanteraky indreo.
52
Sady tsy takatry gne sain-dreo gne dikan'e mofo. F'izy, nemafy gne fon-dreo.
53
Refa tafita indreo, da avy ta Genesareta indreo da nitody.
54
Ary raha nijotso gne lakagny indreo, da lalan'olo tao Izy,
55
da nezakazaky agnaby indreo nagneragny gne tanàgny da nanomboky ninday gne marary tamin'e fandriany ndre t'aia ndre t'aia gne toeragny regnin-dreo nisy an'Azy.
56
Ndre t'aia ndre t'aia nandehanany na an-tanàgny na tanàm-be, na t'ambanivolo, da napetrakindreo tame bazagny gne marary. Nengavy an'Azy indreo mba hikasian-dreo ndre da gne ravin'akanjony avao, da ze nikasiky an'Azy da sitragny.
Chapter 7
1
E fariseo izy ame mpanoradalagny sasany izay avy tà Jerosalema da avy nivory nagnodidigny Anazy.
2
Sady hitandreo gne mpianatriny sasany nihinagny mofo tamin'e tagnà maloto,izany hoe,tsy voasasa.
3
(Fa gne Fariseo izy ame Jiosy agnaby da tsy mba mihinagny raha tsy efa nanasa gne tagnandreo, satria magnaraky gne fombafombandreo loholona.)
4
Refa mipody avy lat'abazary indreo Fariseo, da tsy mihinagny indreo raha tsy avy mandro, sady mitandrigny fomba maro hafa fatratry indreo, ako gne fanasagny gne kapoaky, izy ame famoaragny, da fanaky varagny, sady gne fandria izay ihinanandreo.)
5
Indreo Fariseo izy ame mpanora-dalàgny nagnontany an'i Jesosy hoe: "Nagnino gne mpianatrinao tsy mandeha araky gne fombafombandreo loholona, fa mihinagny gne mofondreo amin'e tagnà tsy voasasa?"
6
Nefa hoy Izy tamindreo: " Isaia naminagny tsara momba anareo mpihatsaravelatsihy. Nosoratany hoe: 'Ity fokonolo ity Magnaja Ana am'e molotriny, fa gne fony da lavitry Ana.
7
Foagny gne fivavahagny omen-dreo Ana, raha mampianatry gne fitsipik'olombelogny ho fampianaran-dreo.'
8
Afoinareo gne didin'Andriamanitry da tananareo mafy gne fomban'olo."
9
Da hoy koa Izy tamindreo: "Akognaia gne fagnarianareo gne didin'Andriamanitra mba hitandremanareo gne fombandrazanareo!
10
Hoy Mosesy se: "Magnajà an'ny abanao izy amin'ny endrinao, sady, Izay mizaka ratsy an'ny abany na i endriny da ho faty tokôtry."
11
Kanefa anareo mizaka hoe: "Raha misy lelà raiky mizaka an'i abany na i endriny hoe: 'Ndre ino ndre ino tianao ho azo tamina da efa korbana,' (izany hoe: 'Nomegny an'Andriamanitry')
12
--da tsy avelanareo hagnano ndre ino ndre ino amin'ny abany izy amin'ny endriny koa izy.
13
Magnafoagny gne zakan'Andriamanitry anareo noho gne fomban-drazanareo izay notazominareo."
14
Da nangeky gne fokonolo indraiky Izy da nizaka tamindreo hoe: "Mitenoma Ana, agnaby anareo, da fantaro.
15
Tsy misy raha avy ambadiky izay miditry agnatin'olo ka afaky mandoto anazy refa miditry amin'azy. Fa izay mijotso avy agnatin'olo gne mandoto anazy."
16
[Gne fandikagny tsara indrindra da tsy magnisy gn'andininy faha 16: "Raha misy manan-tsofigny hitenomagny, aoka Izy hiteno.]
17
Refa niala tamin'e fokonolo Jesosy da niditry tan-dragno, gne mpianatriny nagnontany Anazy momba gne fagnoharagny.
18
Hoy Jesosy tamin'azy: "Anareo koa zany mbola tsy managny fahalalagny? Tsy hitanareo me fa izay rehetra miditry agnatin'e olo avy ambadiky da tsy mampaloto Anazy,
19
satria tsy afa-miditry ame fony izany, fa ame trokiny avao da mijotso agny amin'e fivoahagny?" Tamin'izany fagnambaragny izany da nahavy gne hanigny agnaby ho madio i Jesosy.
20
hoy Izy: "Gne mijotso avy amin' olo gne mandoto anazy.
21
Fa avy agnatin' olo, avy amin'e fony, gne ijotsoan'e sain-dratsy, gne fahavetavetagny, gne halatry, gne famonoagn'olo,
22
gne fijangajangagny, gne fagniriagny, gne haratsiam-pagnà, gne fitaky, gne fijejojejoagny, gne fialognagny, gne fagnobiragny vandy, gne avognavogny, gne hadalagny.
23
Izany raha ratsy izany agnaby gne mijotso avy agnatin'olo, sady io gne mandoto anazy."
24
Niala teo Izy da lasa nandeha tamin'e faritry Tyro sy Sidona. Niditry tan-dragno raiky Izy sady tsy tiany ho fantatrin'iza na iza fa tao Izy, kanefa tsy afaky nifiny.
25
F'izy, niaraky tamin'izay da nisy viavy raiky, izay nisy devoly raiky gne zanany viavy mbola madiniky, naregny gn'amin'azy, avy, da nandadilady tamin'e tombokiny.
26
Sady Grika gne viavy, Syro-foinika gne niaviany. Niangavy tamin'azy Izy mba handroaka gne demony hiala amin'e zanany viavy.
27
Hoy Izy tamin'azy: "Aleo homegny hanigny eky e zaza. Satria tsy mety gne mangalaky gne mofon-jaza ka hagnary anazy ho any gn'amboa."
28
Nefa namaly Izy da nizaka tamin'azy hoe: "Eka, Tompo, fa na gn' amboa ambany latabatry ao aza da mba mihinagny gne sombintsombin'e amin'e mofon-jaza."
29
Da hoy izy tamin'azy :"Noho izany zakanao izany, afaky mandeha anao. Efa afaky tame zanakao viavy e demony."
30
Raha nipody t'an-dragnony raviavy da nahita e zaza natory t'ambony fandria, sady efa niala e demony.
31
Da i Jesosy nijotso indraiky niala e faritr'i Tyro, da namaky an'i Sidona negname ranomasin'ny Galilia sady niakatry e faritr'i Dekapolisy.
32
Da nentindreo tamin'azy teo gne lelà raiky maregny sady moagny, sady nangataky tamin'azy indreo mba hametraky tagna amin'azy.
33
Nentiny nitokagny niala e fokonolo maro be igny lelà igny, da nametraky gne ratsan-tagnany tagnaty sofiny izy, da raha avy nandrora, da mikasiky e lelany.
34
Da nagnety e lagnitry izy, da nihatsatsaky da nizaka tamin'azy hoe:"Efata", izany hoe, "Maladia!"
35
Da tsela teo e sofiny da nahare, sady namatotry e lelany da potiky sady afaky nizaka mazava tsara izy.
36
Da Jesosy nandrara andreo tsy hizakazaka ndre amin'ia ndre amin'ia. Kanefa ndre da noraragny indreo, da vomaiky nampiparitaky an'izany misimisy.
37
Da gaga tanteraky gn'olo, da nizaka hoe:"Naniny tsara agnaby e raha agnaby. Naniny mandre e maregny sady mizaka gne moagny."
Chapter 8
1
Tamin'izany andro izany, da nisy fokonolo maro indraiky koa, tsy nanan-kohanigny indreo. Da nangaiky e mpianatriny i Jesosy da nizaka tamin-dreo hoe:
2
"Mampalahelo ana itoa fokonolo toa, efa telo andro indreo e nagnaraky ana sady tsy nanankohanigny.
3
Raha alefako mody andragnondreo tsy mihinagny indreo, da mety himiagny andalagny. E sasany amindreo da avy lavitry."
4
Namaly an'Azy e mpianatriny hoe: "Aia gne ahitantsika mofo ampy amokisagny an'itoa fokonolo toa ety ame tany tsisy raha ty?"
5
Nagnontany andreo Izy hoe: "Firy e mofo anagnanareo?" Hoy indreo hoe: "Fito"
6
Nandidy gne fokonolo hidoboky ame tany Izy. Nalainy gne mofo fito, da nisaotry Izy, da nanapaky an'izany. Natolotriny ho an'e mpianatriny izany mba ho zaraindreo ame fokonolo, da napetrak'indreo talohany e fokonolo izany.
7
Da mbola nanagny laoky an-drano kidy vitsivitsy avakoa indreo, da refa avy nisaotry an'izany Izy, da nandidy gne mpianatriny hagnome an'izany avakoa Izy.
8
Da nihinagny indreo ka voky, da nalaindreo gne sisa tavela, da mbola nahafeno sobiky fito zakabe.
9
Tokony ho efatr'arivo eo ho eo gn'olo tamin' io fotoagny io. Avy teo da nalefany nody indreo.
10
Avy da niakatry tame lakagny niaraky tame mpianatriny Izy, da nandeha ame faritr' i Dalmanota indreo.
11
Da nizotso agnaby e fariseo ary nanomboky nifamaly tamin'Azy. Nitadia famantaragny avy an_dagnitry tamin'Azy indreo, hitsapagny an'Azy.
12
Netsatsaky sady nagnerignerigny tame fagnahiny Izy da nizaka hoe: "Nagnino kaiky raha mitadia famantaragny ity taranaky ity? Nefa zakaiko marigny aminareo, fa tsy misy famantaragny omegny an'ity taranaky ity izany."
13
Avy teo da nisitaky andreo Izy, niakatry tame lakagny indraiky, da nisitaky lavitra ho egny agnilany.
14
Da adignon'e mpianatry gne ninday mofo niaraky tamindreo. Tsy nanagny mihoatry gne raiky indreo tagnatin'e sambo.
15
Da nampitandrigny andreo Izy da nizaka hoe: "Membena sady mitandrema ame masirasirandreo fariseho sy gne masirasiran' i Heroda."
16
Da nifagnontany tegna gne mpianatry hoe: "Avy amintsika tsy managny mofo izany."
17
Fantatr' i Jesosy izany, da hoy Izy tamindreo hoe: " Nagnino raha ame tsy fanagnagny mofo gn'eritreritrinareo? Mbola tsy takatrinareo me? Nanjary mafy me gne fonareo?
18
Managny maso me anareo, fa tsy mahita ? Managny sofy me anareo fa tsy maregny ? Tsy tadidinareo me?
19
Refa nanapaky gne mofo dimy ho an'olo dimy arivo Iao, da sobika firy feno hambiny e mofo nangoninareo? Hoy indreo tamin'Azy hoe: "Roambinifolo."
20
Refa nanapaky gne mofo fito ho an'olo efatr' arivo Iao, firy sobika gnambiny nangoninareo? Hoy indreo tamin'Azy hoe: "Fito."
21
Da nizaka Izy hoe: " Mbola tsy takatrinareo avao me? "
22
Avy tagny Betsaida indreo. Da nisy jamba raiky nindesin' olo tamin'Azy da niangaviandreo i Jesosy mba hikasiky an'azy.
23
Nindesin' i Jesosy tame tagnany gne jamba, da nitariky an'azy nivoaky e tanagny. Refa nandrora tame masony Izy sady nametraky gne tagnany tamin'azy, da nagnontany an'azy Izy hoe: " Mahita raha anao sa? "
24
Da niandra izy, da nizaka hoe: "Mahita olo akô kakazo mandende iao."
25
Napetrak' i Jesosy tame masony koa gne tagnany, da nahiratr'igny lelà igny e masony, da nipody tame tena izy gne fahitany, da nahita mazava tsara gne raha agnaby izy.
26
Da nalefan' i Jesosy nody izy da nozakainy hoe: "Ka miditry an-tanagny."
27
Nandeha nizotso i Jesosy sy gne mpianatriny nandeha ame tanin' i Kaisaria Filipo. Tegny an-dalagny da nagnontany an'e mpianatriny Izy hoe: " Hanin' olo ho Ia me iao?"
28
Namaly an'Azy indreo ka nizaka hoe: "Jaona mpagnano batisa. Gn' afa mizaka hoe: 'Elia', ary gn'afa koa nizaka hoe:' Gne raiky ame mpaminany ireo."'
29
Nagnontany andreo izy hoe: " Fa anareo magnano Anà ho Ia?" Da namaly an'Azy i Petera nagnano hoe: "Anao gne Kristy."
30
Nampitandrigny andreo i Jesosy tsy hizaka gne momba an'Azy ndre amin'ia ndre amin'ia.
31
Nanomboky nampianatry andreo Izy fa tsy maintsy hijaly e Zanak' Olo, da ho laviny gn'olom-be ame tanagny sy gne lohan'e mpisorogny Izy ame mpanora-dalàgny, ho vonoigny, da hitsangagny ame maty afaky telo andro.
32
Nozakainy mazava tsara izany. Avy teo da nangian'i Petera mangingigny i jesosy da nanomboky nizaka mafy an'Azy.
33
Nefa nitodiky i Jesosy da nagnety e mpianany da avy eo nizaka mafy an' i Petera ka nagnano hoe: "Melà lavitry Anà, anao Satana! Tsy mba misaigny gne rahan' Andriamanitry anao,fa gne rahan'olo."
34
Avy teo da nangaiky e fokonolo izy ame mpianatriny niaraky Izy, da hoy Izy tamindreo hoe:" Ra misy te-hagnaraky Anà, da tsy maintsy mandà gne tegnany izy, mangala gne hazo fijaliany, da magnaraky Anà.
35
Ndre ia ndre ia te_hamonjy gnainy da ahavery izany, fa izay mahavery gnainy noho gnaminà izy ame filazantsara, da hahavonjy izany.
36
Fa ino me gne tombotsoa azon'olo raiky, raha mahazo izao tontolo izao,sady avy teo da very gnainy?
37
Ino me gnafaky omen' olo raiky ho takalon' ny gnainy?
38
Ndre ia ndre ia megnatry Anà sy gne zakako amity taranaky mijangajanga sy mpanota ity, da ho megnatry anazy avakoa gne Zanak' Olo refa avy ame voninahitry e Rainy miaraky ame gn'anjely masigny Izy."
Chapter 9
1
Hoy Izy tamin-dreo se: "Zakaiko aminareo marigny tokôtry, fa aminareo ze mitsangagny etoa gne tsy hagnandragny zany fahafatesagny zany meloha gne ahitan-dreo gne fanjakan'Andriamanitra ze ho avy ame hery zakabe."
2
Ary enina andro tafara, da nindesin'Jesosy niaraky tamin'azy Petera sy Jakôba da i Jaona tegny ame vohitry ankabôgny ary indreo avao e tagny. Da niova tarehy tagnatrehan-dreo Izy.
3
Gne lambany ambany da lasa namirapiratry da nazava, fotsy be avao koa, fotsy mihôtry gne zavatry nampamotsiagny tetoa ambonin'e tany.
4
Aveo Elia sy Mosesy da niseho tamin-dreo, ary niresaky tamin'i Jesosy indreo.
5
Petera namaly da nizaka tamin'i Jesosy hoe: "Raby ô, mety raha magnano tragno talatala telo tsika, gne raiky anao, gne raiky an' i Mosesy, da gne raiky an'i Elia."
6
(Tsy lalany gne raha tokony zakainy, satria nalia be indreo.)
7
Nisy rahogny avy da nadrakotry andreo. Da nisy zaka nivôky tamigne rahogny hoe: "Ty gne zanako malalako. Mitenoma an'Azy."
8
Avy teo, da nagnety gne magnodidingy indreo, da tsy nahita ninonino koa, raha tsy Jesosy avao.
9
Raha nidigny tame vohitry indreo, da nagnafatry mafy mba tsy izaka na amin'ia na amin'ia gne raha itan-ndreo, raha tsy mitsangagny ame maty gne zanak'Olona.
10
Sady da nitanan-dreo ho an'azy zany zaka zany, sady nifagnotany indreo amin'e mety ho dikan'izany" Fitsanganagny ame maty" zany.
11
Nagnontany an'Azy indreo hoe: "Nagnino ireo panora-dalàgny gne Nagnambara fa tsy mentsy avy meloha i Elia?"
12
Da hoy Izy tamin-dreo hoe: "Efa tonga taloha Elia agnarigny e raha aby. Sady nagnino gne vosoratry fa gne zanak'Olona da hijaly be ame raha maro da ataon'olo tsy misy dikany?
13
Nefa zakaiko aminareo f'efa tonga Elia, da nataon'olo tamin'azy ze sitraky gne fony, araky gne voalaza ame Soratra Masina mikasika an'azy."
14
Aveo da niverigny teo ame mpianatry indreo, da nahita olo maro be nagnodidigna andreo da gne mpanora-dalàgny niady hevitry tamin'azy.
15
Raha vô nahita an'i Jesosy indreo, da gaga agnaby gn' olo maro be da nezakazaky nagnatogny da nagnotsafa an'Azy.
16
Nagnontany ireo mpianatriny Izy hoe: "Momba gn'ino me gn'iadianareo hevitry amindreo."
17
Ary nisy raiky tame vahoaky namaly an'Azy hoe: "Mpampianatra ô, nindesiko etoa aminao gne zanako lahy. Misy fagnahy ratsy tsy mampizaka an'azy izy.
18
Manambotry an'azy io da mandavo an'azy sady da mandoa vory izy, midi-vazagny, da lasa mihenjagny izy. Nangataky tamireo mpianatrao iao mba hamôky an'izany amin'azy, da tsy vitan-dreo izany."
19
Namaly an- dreo Izy hoe: "Ry taranaka tsy mino, mandra-pahovia gne ipetrahako aminareo etoa? Mandra-pahovia gn'andeferako aminareo? Eto aty aminà izy."
20
Da nindesigny tamin'azy gne zaza lehilà, ary raha vô nahita an'i Jesosy gne fagnahy ratsy, da nampifanintosintogny an'azy zany. Lavo tame tany gne zaza lelà da feno vory gne vavany.
21
Jesosy nagnontany an'iabany nagnano hoe: "Nanomboky ovia nahavoa an'azy an'io?" Da hoy iabany nagnano hoe: "Nanomboky an'azy kidikidy."
22
Indraindraiky gne fagnahy ratsy io da nandavo an'azy tagnaty gne afo na tagnaty rano nagnandragny hamotiky an'azy. Raha mahay gne raha aby anao, da iantrao ro iay sady ampio iay."
23
Jesosy nizaka an'azy nagnano hoe: '"Raha mahay anao?
24
Gne raha aby da hain'e mino." Niaraky tamizay iaban'e zaza da nikiaky mafy nagnano hoe: ''Mino iao! tahio iao ame tsy finoako!"
25
Refa itan'i Jesosy gne vahoaky nezakazaky nagnatogny an-dreo, Da nizaka mafy gne fagnahy maloto sady nagnano hoe: "Ry fagnahy môgny sy maregny; mandidy anao iao, mela amin'azy, aza mipody miditry amin'azy koa."
26
Nikiaky mafy izany ka nampifanintogny be gne zaza lelà da niala tamin'azy aveo. Nanahak'e olo maty gne zaza lelà, da maro gne nizaka hoe: "Maty izy."
27
Jesosy nandray gne tagnany da nagnarigny an'azy, da nitsangagny e zaza lelà.
28
Refa niditra t'an-dragno Jesosy, da nagnontany an'azy manakagny gne mpianatrany nagnano hoe: "Nagnino iay raha tsy ahavôrôky gne fagnahy ratsy?"
29
Da hoy izy tamin-dreo nagnano hoe: "Gne karazan'igny da tsy afaky roasigny raha tsy ame alalan'e vavaky."
30
Niala teo indreo da nandalo ta Galilia. Tsy tiany ho fantatr'ia na ia hoe taia indreo,
31
fa nampianatry ireo mpianatriny Izy. Hoy izy tamin-dreo nagnano hoe: "Gne zanak'Olona da atolotry antagnan'olo, ka hovonoin-dreo izy, da hitsangagny ame maty koa afaky telo andro."
32
Fa tsy takatry ndreo io fagnambaragny io, sady da natahotry indreo hagnotany an'azy.
33
Aveo da tonga ta kapernaomy indreo. Refa avy niditry tan-dragno izy da nagnontany andreo agnano hoe: "Ino e raha nifampiresahanareo tan-dala?"
34
Fa nangigny indreo. Satria efa niady hevitry tan-dala indreo gne amizay lehibe indrindra.
35
Nidoboky, da mangaiky gne roa ambin'ny folo lahy niaraky izy sady nizaka tamin-dreo nagnao hoe: "Raha misy te ho voalohany, da tsy maintsy farany amin'izy aby izy sady da ho mpanompon'izy aby."
36
Nangala zaza raiky izy da nataony tagnivon-dreo. Notrotroiny tame sandriny izy da nizaka tamin-dreo nagnano hoe:
37
"Na ia na ia mandray zaza akoizao amign'agnarako, da mandray Anà koa, sady raha misy mandray Anà, da tsy mandray Anà raiky izy, fa e nagniraky Anà koa."
38
Hoy i Jaona tamin'azy nagnano hoe: "Mpampianatry ô, Nahita olo namoaky demonia tamign'agnaranao iay da noraranay izy satria tsy magnaraky antsika."
39
Fa Jesosy nagnano hoe: "Aza mandrara an'azy, fa tsy misy olo hagnano asa zakabe ame agnarako nefa tselatsela afaran'izay da hizaka raha ratsy mikasiky Anà.
40
Na ia na ia tsy manohitry antsika da momba antsika.
41
Na ia na ia magnome rano anao eran'e kôpy ho sotroigny satria an'i Kristy anao, da zakaiko aminao marigny tokôtry, fa tsy ho very gne valim- pitiany.
42
Fa na ia na ia manafitoigny gne raiky amin'e madiniky mino Anà, da mety amin'azy raha agnatognagny vatobe fikosoham-bary mifatotry ame vozony da atsipy an-dranomasy.
43
Raha gne tagnanao gne mahatonga anao ho tafitoigny, tapay izy. Fa tsara ho anao gne miditry kilemaigny ame fiainagny toy izay manatagna roa ka andeha ame helo, agny ame afo tsy mety ho vonoigny.
44
[ Fanamarihagny: Gne fandikana tsara indrindra da gne tsy magnisy fehezanteny ame andinigny faha 44 sy 46 hoe: '''Izay tsy maty mintsy gne kankan-dreo ary gne afo tsy ho faty mandrakizay.''']
45
Raha gne tombokao gne manafitohigny anao, tapay izy. Tsara lôtry aminao gne miditry mitongaitry ame fiainagny noho gne managny tomboky roy aveo ariagny ame helo.
46
[ Jereo gne fanamarihagny eo ame andinigny faha 44]
47
Raha gne masonao gne manafitoigny anao, alay iala izy. Tsara aminao gne miditry ame fanjakan'Andriamanitry miaraky ame maso raiky to zay maso roy da ariagny ame helo,
48
agny ame toeragny zay tsy mahafaty gne kankan-dreo, ary gne afo da tsy mety ho vonoigny.
49
Fa gn'olo aby da samby ho voasira ame afo.
50
Tsara gne sira, fa raha gne sira gne tonga matsatso, akogn'aia gn'aninao ahasiran'azy koa sa? Asio sira gn'aminareo, da mihavagna ame tsirairaiky aby."
Chapter 10
1
Niala tamin' io tany io Jesosy da nande tame faritrin' i Jodia sady tame moron-dranon' i Jordana, da nagnantogny an'Azy teo e fokonolo . Araky e faniny, da nampianatry andreo indraiky Izy.
2
Da nagnantogny an'Azy e fariseo hitsapa an'Azy da nagnontany: "Ara-dalàgny ho an'e lelà me e misaraky ame vadiny?"
3
Namaly Izy: "Ino me e nandidian' i Mosesy anareo?
4
Da hoy indreo se: "Mosesy da namela raiky e lelà hanoratry taratasy fagnamarinagny e fisaraham-panambadiagny sady mandefa an'azy avy eo."
5
Da hoy i Jesosy tamindreo: "Nohon' e di- dohanareo avao e nanoratany an'izany lalàgny izany".
6
"Fa tame voalohany e famorognagny, Andriamanitry nagnamboatry andreo ho lelà da viavy."
7
Noho izay antony izany da hiala an' i abany amy endriny gne lelà, da hikambagny ame vadiny, da anjary nofotry raiky indreo roy".
8
Tsy ho roy sanaky indreo fa ho nofotry raiky avao.
9
Ka izay natambatr'Andriamanitry, da aoky tsy ho sarahin' olombelogny ."
10
Da rehefa avy tandragno indreo, d mbola nagnontany mikasiky an' izany avao e mpianatry.
11
Da hoy Izy tamindreo se: "Ndre ia ndre ia lelà misaraky ame vadiny, ka avy eo magnakatry viavy hafa koa da mijangajanga.
12
Ra misaraky ame vadiny e viavy ka mbola miakatry ame lelà hafa, da mijangajanga izy."
13
Avy teo indreoda ninday e zanan-dreo tamin' azy mba hametrany tagna, f'izy novigniran' e mpianatry indreo.
14
Fa refa kendrin' i Jesosy izany, da vignitry be Izy sady nizaka tamindreo hoe: "Avelay e zaza hagnantogny Anà, fa ka raràgny indreo, fa e fanjakan'Andriamanitry da an' e olo ako indreo io.
15
Da zakaiko marina aminareo lateo, ndre ia ndre ia tsy mandray e fanjakan'Andriamanitry ako e zaza io da tsy hiditry amin' izany mihintsy.
16
Avy teo da notrotrognony io zaza io da notsofiny rano sady nametrahany tagna.
17
Da refa nanomboky e diany Izy, da nisy lelà niazakazaky nandoaliky tamin' Azy, sady nagnontany hoe: "ô mpampianatry tsara , ino e tsy maintsy aniko mba handovàko e fiainagny mandrakizay?"
18
Da hoy i Jesosy se: "Nagnino me raha aninao tsara Iao? tsy misy tsara, afa-ts'Andriamanitry raiky avao.
19
Fantatrao e didy hoe: "ka mamono olo, ka mijangajanga, ka mangalatry, ka mijoro ho vavolombelo tsy marigny, ka mamitaky, hajay i abanao izy am'endrinao".
20
Da hoy igny lelà igny se: "Mpampianatry ô! efa naniko nanomboky tame fahatanorako agnaby an'io raha zakainao io".
21
Nagnety an'azy i Jesosy da tia an'azy. Da hoy izy tamin' azy se: 'Misy raha raiky banga gn'aminao. Tsy maintsy avidinao agnaby e fanagnanao, da omenao e mahantra izany, da zay anao vô hanan-karegny an-dagnitry agny. Avy teo da magnaraha Anà."
22
Noho izany filazagny izany da nalahelo izy sady vaivay, satria da nanandrà tokôtry izy.
23
Nagnety gne magnodidigny an'Azy i Jesosy sady nizaka tame mpianatriny hoe: "Tena sarotry ho an' e manandrà be e miditry ame Fanjakan' Andriamanitry".
24
Da gaga tame zakany e mpianatry. Fa hoy i Jesosy indraiky tamindreo: " Zanako! sarotry e fidiragny ame Fanjakn' Andriamanitry!
25
Mora ame rameva e miditry ame vody filo, toy izay e hidiran' e mpanandrà ame Fanjakan' Andriamanitry."
26
Da mbola gaga avao e mpianatry sady nifagnontany indreo hoe: "Ia zany e ho afaky ho vohavonjy?"
27
Nagnety andreo i Jesosy da hoy Izy: "Tsy vitan' olo izany, fa vitan' Andriamanitry. Satria hain' Andriamanitry e magnambotry e raha agnaby."
28
Da nanomboky nizaka tamin'Azy i Petera hoe; "Iteo, Iay toa da nahafoy e raha agnaby, sady da nagnaraky anao."
29
Da hoy i Jesosy: "Zakaiko marina aminareo, tsy misy olo niala e tragnony, na e rahalàny, na e rahavaviny, na i endriny, na i abany, na e zanany, na e taniny noho gne aminà, izy ame filazantsara,
30
ka tsy nitombo in-jaton'e teo aloha amin'izao taonjato amin'izao fotoagny izao: da tragno, rahalà, rahavavy, reny, zanaky, tany, miaraky ame fagnenjehagny, sady ame taon-jato ho avy, da e fiainagny mandrakizay.
31
Fa maro gne voalohany ho lasa farany, ary e farany ho lasa voalohany".
32
Tegny an-dalagny indreo, hiakatry ho an' i Jerosalema, da nandeha talohandreo i Jesosy. Gaga e mpianatry, da e olo nagnaraky an'Azy tafara, da natahotry. Nangian' i Jesosy indraiky koa indreo roy ambinifolo, da nanomboky nizaka e raha mety ho avy amin'Azy tsy ho ela Izy.
33
Iteo, miakatry an'i Jerosolema itsika izao, da hatolotry e mpisoragny be izy ame mpanoradalàgny e Zanak' Olo. Hovonoindreo ho maty Izy da homendreo e Jentilisa.
34
Harabindreo Izy, handrorandreo, hovangoindreo, homatindreo Izy. F' izy, telo andro afaran'izany ahafatesany izany da hitsangagny ame maty Izy."
35
Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nagnatogny an'Azy sady nizaka tamin'Azy hoe : " Ô mpampianatry e! da tianay raha mba aninao izay raha angatahinay aminao agnaby".
36
Da hoy Izy tamindreo se: "Ino izany e tianareo haniko ho anareo?"
37
Da hoy indreo: "Apetray iay hiaraky hipetraky aminao ao ame voninahitry misy Anao, da gne raiky ame tagnanao ankavanagny da gne raiky ame gn'ankavianao."
38
Fa i Jesosy namaly andreo hoe: "Da tsy lalanareo e raha angatahinareo. Anareo izany ho afaky hindrano ame kapoaky hindranomako na hiaritry ho anigny batisa ame hamboaragny batisa Anà?"
39
Da hoy indreo koa se: "Vitanay izany". Da nizaka koa i Jesosy tamindreo: "Gne kapoaky hindranomako, da hindranomanareo,sady amin'izay hamboaragny Batisa Anà, e hamboaragny batisa anareo avakoa.
40
Fa izay hipetraky eo an-tagnako ankavanako na do ankaviako da tsy miankigny aminà izany, fa izany da ho an'izay nagnomagny an'izany."
41
Refa naharegny an'izany e mpianatry folo hafa da nanomboky vignitry mafy an'i Jakoba izy amin'i Jaona.
42
Nangian'i Jesosy ho eo aminy indreo da nizakany hoe: "Fantatrareo me! fa gn'olo zay anigny ho mpanapaky e Jentilisa da mampanompo andreo, da e mpifehy andreo da e magnampatry fahefagny amindreo.
43
Fa tsy tokony ako izany gn'aminareo. Fa ndre ia ndre ia magniry ho zakabe aminareo da aleo izy ho mpanomponareo.
44
Sady ndre ia ndre ia te ho voalohany aminareo da aleo izy ho andevonareo.
45
Fa e Zanak'Olo tsy avy mba ho tompoigny, fa mba hanompo,sy hanolotry gn'ainy ho takalon'aigny ho an'e maro."
46
Avy tao Jeriko indreo. Refa nizotso e tanàgny niaraky tame mpianatriny Izy ame fokonolo Izy, e zanak' i Timeo, Bartolomeo, izay mpangataky sady jamba, nidoboky t'amoron-dalagny.
47
Refa naharegny izy fa i Jesosy lata Nazareta e mandalo izany, da nanomboky nikiakiaky mafy sady nizaka hoe: "Ô Jesosy, Zanak'i Davida, mamindrà fo aminà rô!"
48
Maro e nizaka mafy an'igny jamba igny, nizaka an'azy mba hisigny. F'izy voamaiky izy nikiakiaky mafy be: "ô Zanak'i Davida ah!mamindrà fo aminà rô!"
49
Nijanogny i Jesosy da nampangaiky an'azy.Natsovandreo izy, da nozakaindreo hoe: " Mahereza! Mitsangàna! fa mangaiky anao Izy."
50
Nariany e lambany da nitsangagny, ka nagnantogny an'i Jesosy izy.
51
Da namaly an'azy i Jesosy sady nizaka an'azy hoe: "Ino me gne raha tianao aniko aminao ? Da hoy igny jamba igny se: "Raby ô, te hahita iao."
52
Da hoy i Jesosy tamin' azy: "Mandiana. Gne finoanao gne nahavonjy anao." Da nahita niaraky tamin'izay e masony, sady nagnaraky an'i Jesosy t'andalagny tegny izy.
Chapter 11
1
Sady raha nande tagny Jerosalema indreo, da nagnakeky an' i Betifaga sy Betania, agny ame tendrombohitry Oliva, da i Jesosy nagniraky gne roy tame mpianatriny
2
da nizaka tamindreo hoe: "Mandiana amiry tanagny kidy aloantsika iry. Ra tafiditry amignao anareo, da ahita zana-boriky raiky mbola tsy nitikinan' olo. Tatay izy da indeso aminà aty.
3
Ra misy olo mizaka aminareo hoe: "Nagnino anareo magnano anio? Da zakay izy hoe: Misy ilan' i Tompo an'azy da hapodigny malaky aty izy."
4
Nandeha nizotso indreo da nahita zana-boriky raiky mifiny t' ambadik'e tragno agnilan'e varangaragny raiky amoron-dalagny, da nitatàndreo gne tadiny.
5
Nisy olo sasany nitsangagny teo da nizaka tamindreo hoe: "ino me gnaninareo, manataky anio zana-boriky io?"
6
Da nozakainy andreo gne zakan' i Jesosy tamindreo, da napetran'olo handeha ame lalany hombany indreo.
7
Da nindesin'e mpianatry roy lahy tamin'i Jesosy gne zana-boriky da naniny tambonin' igny gne lambandreo ka afaky nitikigny tamin'azy i Jesosy.
8
Maro gn'olo namelatry e lambany tame lalagny, sady gne sasany koa, da namelatry rantsan-kazo izay notapàtapàny avy t'agnatin'ala.
9
Da indreo nandeha talohany miaraky ame gn'olo nagnaraky an'Azy nangaiky hoe: "Hosana! deraigny izay raiky avy ame gn'agnaran'i Tompo.
10
Deraigny e fanjakagny ho avin'i Davida abatsika ! Hosana agny ame gn'ambony indrindra!"
11
Avy teo Jesosy niditry an'i Jerosalema da niditry ampengonagny da nagnetignety raha marobe. Da, efa ne-hariva gnandro, da nandeha ta Betania Izy miaraky ame roambinifolo lahy.
12
Gn' andro magnaraky, raha nipody avy ta betania indreo, da nosaregny Izy.
13
Da nahita hazon' aviavy raiky nidoroboky lavidavitry tery, da nagnantogny Izy hagnety sao da misy hisikiny tamin'azy, sady refa nagnantogny amin'izany Izy, da tsy nahita ndre ino ndre ino afa tsy gne ravigny fotsiny, fa tsy mbola fotoan'e famohazany gn'aviavy tamin' io.
14
Da nizaka izy tamizany hoe: "Tsy hisy hihinagny gne isikinao sanaky mandrakizay." Da naharegny an'izany gne mpianatriny.
15
Nandeha ta jerosalema indreo, da niditry tampiangonagny Izy da nanomboky nandroaky gne mpivarotry izy ame mpividy marobe tao. Nalavony gne latabatry gne mpanakalo vola izy ame sezany gne mpivarotry voromamanga.
16
Ndre ia ndre ia tsy nekeny hitondra varotry agnaty fiangonagny.
17
Da nampianatry andreo Izy da nizaka hoe: "Tsy efa voasoratry me hoe: 'Gne tragnoko da anigny hoe tragno fivavagny ho an'e firenegny agnaby? Nefa naninareo toeragny fisitrihan' e mpangalatry.
18
Regnindreo Lohan'e mpisorona izy ame mpanoradalàgny e raha nozakainy, da nitady fomba hamonoagny an'Azy indreo. Fa nataotry an'Azy indreo satria gne fokonolo agnaby da gaga tamin'e fampianarany.
19
Refa hariva igny gn'andro, da niala gne tanagny indreo.
20
Da raha nandeha indreo gne mandraigny, da nahita gne kakazony gne aviavy nalazo hatrame vatriny.
21
Nahatadidy i Petera da nizaka hoe: "Raby ô, hiteo! Nalazo gne aviavy nozogninao."
22
Jesosy namaly andreo hoe: "Manàgna finoagny an' Andriamanitry.
23
Zakaiko marina aminareo fa ndre ia ndre ia mizaka am' ity vohitry ity hoe: "Mitsangàna ka milavoa an-dranomasigny,' ka raha tsy misy fisalasalagny gn'ampony fa mino fa hitranga amin'azy izay nozakainy da akoizany gne hanin' Andriamanitry.
24
Noho izany da mizaka aminao Iao hoe: "Gne raha agnaby hivavahanareo sady angatahanareo, minoa fa nandray an'izany anareo,da ho azonareo izany.
25
Refa mitsangagny sady mivavaky anareo, da tsy maintsy mamela gn'alahelo anagnanareo agnaby ndre amin' ia ndre amin' ia anareo, mba havelan' i Abanareo Izay agny an-dagnitry agny avakoa gne fahotanareo.
26
[Fagnamarihagny: Gne fandikagny tena tsara da tsy magnisy hoe (Iteo ame Matio 16:15) Mk. 11: 26 "Fa raha tsy mamela heloky anareo, da tsy hamela gne fahotanareo mihitsy koa i Abanareo Izay agny an-dagnitry." ]
27
Da niakatry ho agny Jerosalema indraiky indreo.Sady raha nandendeha tam-piangonagny i Jesosy, da nagnantogny an'Azy gne lohandohan' e mpisorogny, gne mpanoradalàgny, da gne olom-be ame tanagny.
28
Da hoy indreo tamin'Azy hoe: "Fahefagny lat'aia gne hagnamboaranao an'itoa raha agnaby toa, da ia gne nagnome fahefagny Anao hagnano anio?"
lol
29
Nizaka tamindreo Jesosy hoe: "Hametraky fagnontaniagny raiky aminareo Iao. Zakay Aminà da ho zakaiko anareo hoe fahefagny avy taia me gnagnamboarako anio raha agnaby io.
30
Gne batisan' i Jaona lat' an-dagnitry izany sa lat'amin'olo? Valio Iao."
31
Nifampidiniky miaraky indreo sady nifamaly sy nizaka hoe: 'Raha mamaly itsika hoe: 'lat'an-dagnitry,' da hizaka Izy hoe: Nagnino anareo tsy mino an'azy?
32
Fa raha mamaly koa itsika: 'Avy amin'olo,'..." Nataotry gn'olo indreo, satria resy lahatry gn'olo agnaby fa i Jaona da mpaminany tokôtry.
33
Avy eo namaly an' i Jesosy indreo ka nizaka hoe: "Tsy lalanay." Da hoy i Jesosy tamindreo: "Iao avakoa tsy hizaka aminareo hoe fahefagny avy lat'aia gne hagnamboarako an'itoa raha toa."
Chapter 12
1
Nanomboky nampianatry andreo tame alalany gne fagnoharagny i Jesosy. Hoy Izy: "Nisy lelà nagnano tanim-bôloboky, nagnisy vala magnodidigny an'izany, ary nandavaky famiazagny. Nanangagny tilikambo da avy eo nampagnofagny igny tanim-bôloboky igny tame mpamboly vôloboky. Da niala nandeha lavitry izy aveo.
2
Tame fotoagny mety, da nagniraky mpiasa andeha amin'igny mpamboly vôlobok'igny izy mba hangalaky amin-dreo gne sasany tokony ho anjarany ame vokatry gne tanim-bôloboky.
3
Fa nosamborin-dreo izy, novangoiny, ary noroasiny tsy hitondra na ino na ino.
4
Nagniraky mpiasa raiky ho agny indraiky izy, da noratrain-dreo tame lohany ary nalaim-baraka.
5
Da mbola nandefa hafa avao izy, ary novonoin-dreo io raiky io. Nanin-dreo akoizany aby e tafara, novangoiny gne sasany da novonoiny gn'hafa.
6
Mbola nanagny olo raiky hafa hirahigny izy, da e zanaky malala. Izy e farany nalefany tamin-dreo tagny. Hoy izy se: "Mba hagnaja gne zanako lahy indreo."
7
Nefa nifampizaka indreo mpamboly vôloboky hoe: "Inty e mpadova. Avia aska hovonointsika izy, da ho lasantsika gne lova."
8
Nosamborin-dreo izy, da novonoiny, ary natsipiny tambadiky gne tanim-bôloboky.
9
ka ino gn'ataon'e tompon'e tanim-bôloboky? Ho avy izy da agnafôgny andreo mpamboly sady hagnome tanim-bôloboky gne hafa.
10
Tsy novakinareo kaiky itiky Soratry Masina itiky? 'Gne vato izay tsy tian'e mpamboatry trano, gne nagnamboaragny andri-tragno.
11
Avy tame Tompo zany, sady da mahagaga ankatrefatsika.'''
12
Nitady gne isamboragny an'i Jesosy indreo, saingy nalia gne fokonolo, satria lalan-dreo fa hanoheragny andreo gne nizakany an'izany fanoharagny izany. Ka da navelan-dreo Izy ary lasa nandeha indreo.
13
Da nagniraky gne Fariseo sy Herodiagny sasany ho agny amin'Azy mba hamandriky an'Azy ame zaka indreo.
14
Refa avy indreo, da hoy indreo tamin' azy se: "Mpampianatry ô, lalanay gne hevitry gne olo anao, ary tsy magnabôky fagnavakavahagny amin'olo. Mampianatry marigny gne lalan'Andriamanitry
Anao. Ara-dalagny zany sa tsia gne magnefa hetra amin'i Kaisara? Tokony hagnefa hetra zany iay sa tsia?"
15
Fa lalan'i Jesosy gne fiatsarambelatsihin-dreo ka nizaka andreo hoe: "Magnino anareo mitsapa anà? Indeso denaria raiky iao mba itaragnako an'azy."
16
Da nindesan-dreo vola raiky i Jesosy. Hoy Izy tamin-dreo nagnano hoe: "Endrik'ia ity sary sy soratry ity?" Hoy indreo se: "An'i Kaisara."
17
Hoy Jesosy hoe: "Omeo an'i Kaisara gn'an'i Kaisara, ary omeo an'Andriamanitry gn' Andriamanitry." Da gaga tamin'azy indreo.
18
Aveo gne Sadoseo, zay mizaka fa tsy misy gne fitsanganagny ame maty, da avy tamin'azy teo. Nagnontany an'azy indreo, nangnano hoe:
19
"Mpampianatry ô, nanoratry izao ho anay i Mosesy hoe: 'Raha maty gne rahalahin'e Lehilà raiky nametraky vady izy, nefa tsy mba nanagny anaky, da tokony manam-bady gne vadin-drahalahiny e lelà, ka hanagny taranaky ho an'e rahalahiny.'
20
Nisy fito mirahalahy; nanam-bady e voalohany da maty, tsy nametraky taranaky.
21
Aveo nangalaky an'azy gne faharoy da maty, tsy nametraky taranaky, da akoizany koa gne fahatelo.
22
Tsy nisy nametraky taranaky izy fito. Gne tena farany, da maty koa raviavy.
23
Ame fitsanganagny ame maty, refa hitsangagny koa indreo, da ho vadin'ia izy? satria samby manambady an'azy aby indreo fito mirahalahy."
24
Da hoy i jesosy se: "Tsy izany me gne antony mahadiso hevitry anareo, satria tsy lalanareo ndre da gne Soratra Masina ndre gne herin'Andriamanitry?
25
Satria refa mitsangagny ame maty indreo, da tsy hanambady na hatolotry ame fanambadiagny, fa akô gne anjely agny an-dagnitry.
26
Fa mahakasiky gne ame fitsanganagny ame maty, tsy novakinareo me gne tao ame bokin'i Mosesy, ao ame andalagny momba e voaroy, gne niresahan'Andriamanitry tamin'azyka nizakany hoe: 'Iao gne Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba'?
27
Izy da tsy Andriamanitry gne maty, fa an'e velogny. Somary diso hevitry anareo."
28
Nisy raiky tame mpanora-dalagny avy sady naregny gne resakandreo; Hitany fa novalian'i Jesosy tsara indreo. Ary nagnontany an'Azy izy hoe: "Ino gne didy zakabe amin'izy aby?"
29
Jesosy namaly nagnano hoe: "Gne tena zakabe da gne hoe: 'Mihainoa, gne tompo Andriamanitsika, ry Israely, raiky gne tompo.
30
Tsy mentsy mitia gne Tompo Andriamanitrinao ame fonao aby anao, ame fagnahinao aby, ame saigninao aby, sy ame herinao aby.'
31
Ity gne didy faharoy: 'Tsy mentsy mitia gne namanao akô gne tegnanao anao.' Tsy misy didy zakabe mandilatry an'io."
32
Hoy e mpanora-dalagny hoe: "Tsara izany, ry mpampianatry! Vôzakanao marigny fa Andriamanitry da raiky, ary tsy misy afa tsy Izy. Ary gne mitia an'Azy ame fo aby, da ame saigny aby,
33
ary gne mitia gne namagny akô gne tegna, da tsara lavitry mihôtry gne fagnatitry doragny sy gne sorogny aby."
34
Refa hitan'i Jesosy fa nagnome valin-teny hendry Izy, da nizaka tamin'Azy izy hoe: "Tsy lavitry gne fanjakan'andriamanitry anao." Ary tafaran'izany, da tsy nisy olo nasaky nametraky fagnontaniagny tamin'i Jesosy sanaky.
35
Namaly Jesosy, raha nampianatry tao ame tempoly Izy; da hoy Izy:" Akognaia sa gne izakan'e mpanora-dalagny fa Kristy da zanak' i Davida?
36
Davida tegnany, tamigne Fanahy Masina, nagnano hoe: 'Ny Tompo nizaka tame Tompoko hoe: mipetraha eo an-tanà ankavanako, mandra-pagnamboarako gne fahavolonao ho fitoeran-tongotrao.'
37
Davida tegnany aza nangaiky an'azy hoe 'Tompo,' ka akognaia gne maha zanaky Davida an'i Kristy?" Niteno an'azy tamign'hafaliagny gne fokonolo maro be.
38
Tame fampianarany Jesosy da nizaka hoe: "Mitandrema amin-dreo mpanora-dalagny, zay tia mandendeha ame lamba lava ary tian-dreo gne fiarahabagny azon-dreo abazary egny
39
ary tian-dreo gne mahazo seza vôlohany agny ame Synagoga sy gne toeragny voalohagny agny ame fety.
40
Mandrobaky gne tragnon'e mpitondra tegna indreo, ary magnano vavaky lavabe mba ho hitan'ny gne olo. Ireo lelahy ireo da handray fagnamelohagny zakabe tokôtry."
41
Aveo Jesosy da nipetraky nifagnandrify gne vatan-drakitry tao ame faritry gne tempoly; nagnety e olo aby izay nandrotsaky vola tao ame vatan-drakitry. Mpanankaregny maro gne nandatsaky vola be tao.
42
Da nisy viavy sahiragny mpivagnitry raiky avy nandrotsaky farantsakely roy, izay kidy variroaventy oharigny ame iraimbilanja.
43
Da nantsovany ireo mpamimany da hoy izy tamin-dreo hoe: "Zakaiko aminareo marigny tokôtry, fa ity viavy sahiragny mpivanitry ity gne nandrotsaky be mihoatry ame zay nandrotsaky vola tao ame vatan-drakitry.
44
Satria gne olo aby da nagnome tame fanagnam-ben-dreo. Fa ity mpivantitry ity kosa , tame fahantrany, da nandrotsaky gne vola izay tokony ivelomany tao."
Chapter 13
1
Da raha niala gne fiangonagny Jesosy, da nizaka e raiky tamireo mpianatriny hoe: "ô Mpampianatry ô, iteo gn'hatsarany gne vato izy ame hatsaran'e rafitry!"
2
Hoy izy se: "Itanao me gne rafitry zakabe toa? Ka avela hisy vato hifanongoa eo da tsy ho ravagny."
3
Ary raha nipetraky tame vohitry Oliva takitsy e fiangonagny Izy, da nagnotany an'Azy mangingigny i Petera, Jakoba, Jaona sy Andrea:
4
"Zakay aminay, ovia gne hitrangan'izany raha izany? Ino gne famantaragny refa hitranga io raha io?"
5
Da Jesosy nanomboky nizaka tamin-dreo hoe: "Mitandrema mba tsy hisy olo hampivily lalagny anareo.
6
Fa maro gne ho avy ame agnarako sy izaka hoe: 'Iao gn'izy,' sady da maro gne ho voafitakiny.
7
Refa maregny ady sy resa-be mikasiky gne ady anareo, da ka magnàh; tsy mentsy hitranga ireo, fa tsy mbola izay gne faragny.
8
fa hisy firenegny hitsangagny hamely firenegny, ary hisy fanjakagny hamely fanjakagny. Ary hisy horohon-tany ame toeragny maro, sady hisy mosary. Izany gne voalohan'e fahoriagny fiterahagny.
9
Mitandrema anareo. Hatolotr'indreo ame Synedriona anareo, da rabohigny ao ame Synagoga. Hitsangagny alohan'ireo mpanapaky sy ireo mpanjaka noho gn'aminà anareo, ho vavolombelogny amindreo.
10
Fa gne Filazantsara da tsy maintsy toriagny ame firenena agnaby aloha.
11
Refa manambotry sy manolotry anareo indreo, da ka magnà ame zay tokony ho zakainareo. Fa amin'igny lera igny, da homegny anareo gne izay tokony ho zakainareo; tsy anareo gn'izaka, fa gne Fanahy Masina.
12
Gne rahalà hanolotry gne rahalàny ho faty, sady gne iabany hanolotry gne zanany. E zanaky hanohitry gne iabany ame endriny ka hahafaty andreo.
13
Ho halan'olo agnaby anareo nohon'e Agnarako. Fa ndre ia ndre ia maharitry hatramin'e farany, da hovonjegny izany olo izany.
14
Fa raha hitanareo mitsangagny ame tsy tokony htsanganagny gne fahavetavetan'e fandravagny (da tokony handiniky ze mamaky), da zay Avy agny jodia aby hilefa agny ame vohitry,
15
izay an-tafotragno da tsy hidigny ao an-dragno na hamôky zavatry avy ao amin'izany,
16
da zay an-tanimboly aoky tsy hipody sanaka angala gne lambany.
17
Lozan'ireo bevohoky sy mampinono am' zany andro zany!
18
Mivavaha anareo mba tsy ame ririnigny gne hitrangan'izany.
19
Fa hisy fahoriagny be, izay mbola tsy nisy hatramy gne voalohagny, raha namorogny izao tontolo zao Andriamanitry, ka hatram'izao, tsia, sady mandrakizay tsy hisy sanaky zany.
20
Raha tsy hoe nafohezin'i Tompo zany andro zany, da tsy hisy vatagny ho voavonjy. Fa nohon'e olom- boafidy, izay nofinidiny, da nafoheziny gne isan'izany andro izany.
21
Sady raha nisy olo mizaka aminao hoe: "Taragno, aty e Kristy!' na koa hoe: 'Eteo, ery Izy!' Da ka mino an'izany.
22
Fa hisy Kristy sandoky sy mpaminany sandoky hibôky sady agnabôky famantaragny sy fahagagagny, mba hamitahagny, ndre da gne olo vôfidy aza, raha azo atao.
23
Miambena! efa voazakako taminareo taloha gne fotoan'ireo raha agnaby ireo.
24
Kanefa tafaran'ireo andro ireo, da hihamizigny e masoandro, gne volagny tsy hagnome hazavagny,
25
gne kitagny hilatsaky avy ame lagnitry, ary ireo hery izay ao an-dagnitry ho hozongozonigny.
26
Ka ho hitan-dreo gne zanak'Olona avy egny ame rahogny ame hery zakabe sy voninahitry.
27
Sady hagniraky gne anjeliny izy hamory miaraky ame olo vôfidy avy ame vazan-tany efatry, avy agny ame farany gne tany hatrame farane lanitry.
28
Mangalà lesogny avy ame kakazon'e aviavy. Raha vô mamelagny sy mandravigny gne rantsany, da fantatrareo fa ho avy gne lohataogny.
29
Akoizany koa, raha vô hitanareo mibôky zany raha aby zany, da fantatrareo fa efa ho avy avao koa Izy, magnarivo gne vavahady.
30
Zakaiko aminareo,marigny tokôtry, ty taranaky ty da tsy ho ritry mandra- pitrangan'izany raha aby zany.
31
Ho levogny e lagnitry sy gne tany, fa e zakako kosa tsy holevogny mandrakizay.
32
Fa gne mahakasiky gne andro na gne lera zany, da tsy misy mahafantatry, ndre da gne anjely agny an-dagnitry aza, na gne Zanaky, fa gne Ray avao.
33
Mitandrema! Miambena, satria tsy lalanareo gne fotoagny. (Fanamarihagny: Ireo fahefagny taloha da nagnano hoe: Mitandrema! Miambena sady mivavaha, satria....)
34
Izany d'ako gne lehilà raiky handeha lavitry_nagnabela e tragnony izy ka ireo mpanompony gne nataony niandraikitry e tragnony, samy ame asany aby, sady nandidy gne mpiambigny Izy mba tsy hatory.
35
Koa miambena, satria tsy lalanareo hoe ovia gn'evian'e tompon-trano; Mety ame aligny zany; na ame sasak'aligny, na magneno akoho, na mandraigny.
36
Fa raha avy tampoky Izy, da k'ampahitagny anareo matory Izy.
37
Izay Zakaiko aminareo da zakaiko ame olo aby avao koa: Miambena!"
Chapter 14
1
Roy andro talohan'e Paska sady fankalazagny e fihinanagny mofo matavay tam'izany. Nitady fomba hisamboragny an'i Jesosy mangingigny e lohan'e mpisorogny izy ame mpanoradalagny mba hamonoagny anazy avy teo.
2
F'izy, hoy indreo: ''Aleo tsy amin'e andro fety amizay tsy mikorontagny e olo."
3
Raha tagny Betania t'andragnon'i Simona boka i Jesosy, amin'Azy midoboky ambony latabatry eo igny, da nisy viavy raiky nagnatogny Anazy nitondra tavoara alabastara misy menaky lafo vidy, io da narda tsy misy fangarony. Novakiny igny tavoara igny da nararakiny tame lohany izany.
4
Nahavignitry e olo sasany izany. Nifampizaka indreo hoe: "Ino me e dikan'ity fandanindaniagny fataniky ty?
5
Io menaky magnitry io zao azo navidy lafo mihoatry e denaria telonjato, sady nomegny e mahantra." Da nivignitry an'igny viavy igny indreo.
6
F'izy hoy i Jesosy se: "Apetray izy. Nagnino anareo magnano e raha mampalahelo anazy? Raha tsara e naniny taminà.
7
E sahiragny da aminareo eo isan'andro, da sady afaky hagnano asa tsara ho andreo io fezay anareo ame fotoagny agnaby, fa Iao anefa tsy hipetraky aminareo etoa isan'andro.
8
Nagnano e azony nanigny izy: nagnosotry e Vatako ho ame fandevenagny izy.
9
Zakaiko marina aminareo, ndre aia ndre aia hitoriagny e Filazantsara eran'izao tontolo izao, da hambara andreo e raha nanin'ity viavy ity, mba ahatadidizandreo anazy."
10
. Avy teo, i Jodasy Iskariota, raiky tame roy ambin'ny folo lahy, nandea tame lohan'e mpisorona mba ahafahany manolotry Anazy amindreo.
11
Raha ren'e lohan'e mpisorogny izany, da faly indreo sady nampagnategna hagnome vola anazy. Da nanomboky nitady hevitry hagnambarany Anazy amindreo izy.
12
Tame andro voalohan'e fihinanagny mofo matavay, refa nagnano sorogny e ondrin'e Paska indreo, da hoy e mpianatriny tamin'Azy se: "Aia e tianao hikarakaragny e hanigny sa? mba ihinanao e hanignin'e Paska?"
13
Da nagniraky roy tame mpianatriny Izy sady nizaka tamindreo hoe: "Mandiana an-tanagny, da hisy lelahy mitondra siny feno rano hifanepaky aminareo. Magnaraha Anazy.
14
Izay tragno idirany, da magnaraha anazy da zakay e tompon-tragno hoe: "Hoy e Mpampianatry se: "aia e efitragno fandraisam-bahiny ahezako miara-minagny e Paska ame mpianatriko?"'
15
Hagnaboaky tragno zakabe ambony rihagny efa misy fanaky efa vonogny tsara izy. Ao e amboaranareo e fagnomagnagny ho antsika."
16
Da lasa e mpianatry nandeha amin'io tanàgny io. Fatandreo tam'izany fa efa nozakainy e zava-drehetra, da nagnomagny e hanigny ame Paska indreo.
17
Raha hariva gn'andro, da niaraky avy tame roy ambin'ny folo lahy Izy.
18
Rehefa nidoboky t'ambony latabatry nihinagny indreo, da hoy Jesosy: "Zakaiko marina aminareo, fa e raiky aminareo miaraky mihinagny aminà etoa io da hamadiky Anà."
19
Nalahelo agnaby indreo, da nizaka tamin'Azy tsiraidraiky: " Tsy iao lateo izany?"
20
Da namaly Jesosy da nizaka andreo hoe: "E raiky aminareo roy ambin'ny folo lahy izany, da io miaraky magnatsoboky mofo Aminà agnaty lasety io zao."
21
Fa e Zanak'Olo da handeha ame lalagny efa voazakan'e Soratry Masigny mikasiky Anazy. F'izy sa, loza ho an'izany lelahy hamadiky e Zanak'Olo izany. Tsara ho anazy raha tsy teraky izy."
22
Amindreo mbola mihinagny igny, da nangala mofo i Jesosy, nisaotry, da nizarazara izany. Natolotriny andreo izany sady nizaka Izy: "Raiso, Ity e vatako."
23
Da nangala kapoaky koa Izy, nisaotry, da nanolotry an'izany tam'indreo, da nindrano an'igny indreo agnaby.
24
Da hoy izy: "Ity e ràn'e fagnekem-pihavanagny, rà izay alatsaky ho an'e olo agnaby.
25
Zakaiko marina aminareo, tsy hindrano an'ity vokatr'e voaloboky ty sanaky Iao mandrapevian'e andro indranomako izany indraiky ra avy ame Fanjakan'Andriamanitry."
26
Refa avy nihira fideragny indreo, da nandeha t'antendrombohitr'Oliva.
27
Hoy Jesosy tamindreo: "Hiala Anà agnaby anareo aby, fa efa voasoratry hoe: "Hamango e Mpiandry ondry Iao, da hilefa aby e ondry agnaby.'
28
Fa refa avy nitsangagny tame maty Iao, da handeha alohanareo a Galilia."
29
Da hoy i Petera tamin'azy: "Ndre da hiala anao aby gn'olo agnaby, da iao tsy mba hiala Anao."
30
Da hoy i Jesosy tamin'azy: "Zakaiko marina aminao, androany hariva, ndre mbola tsy magneno in-droy e akoho, da efa handà anà in-telo anao."
31
Da hoy i Petera: "Ndre da tsy maintsy hiara-maty Aminao iao, da tsy handà Anao sanaky." Da samby nampagnategna akoizany agnaby indreo.
32
Refa avy tame tany angiagny hoe Getsemane indreo, da hoy i Jesosy tame mpianatriny: "Mijanogna etoa anareo mandra-pivavahako."
33
Nentiny niaraky tamin'Azy i Petera, da i Jakoba, da i Jaona, sady efa nanomboky nalahelo sady ory.
34
Da hoy Izy tamindreo: "Mijaly lôtry e fagnàko, akô olo efa hofaty. Mipetràha etoa da miambena."
35
Nisitaky lavidavitry kidikidy andreo i Jesosy, nandoaliky sady niondriky tame tany, da nivavaky, nangataky, mba hiala amin'azy izany ora izany,
36
Da hoy Izy: "Aba, Aba! anao mahay magnano e raha agnaby, mba alay aminà rô ity kapoaky ity. F'izy tsy gne sitrapoko e hanigny, fa e sitraponao."
37
Nipody izy da nahita andreo natory, da hoy izy tamin'i Petera: "Simona, matory me anao? Tsy nahavita niambigny ndre lera raiky?
38
Miambena da mivavaha mba tsy hidiran'e fakam-pagnàhy. E fagnàhy da mety mazoto tokôtry, fa e nofotry e malemy."
39
Da lasa koa izy nisitaky sady nivavaky, da mbola namerigny e zaka naniny taloha igny avao.
40
Da nipody koa izy, da mbola nahita andreo natory, fa navesatr'e torimaso e masondreo da tsy nahita raha ho zakaigny tamin'Azy.
41
Nagnatogny fanintelony izy da nizaka: "Mbola matory sady mangalaky aigny avao me anareo ty? Ampy izay! efa avy e fotoagny. Iteo! e Zanak'olo hatolotry am-pelatagnan'e mpanota.
42
Mitsangana! atsika andeha. Iteo! Efa akaiky e mpamadiky Anà."
43
Amin'i Jesosy mizaka eo igny, da igny i Jodasy avy, raiky tame roy ambin'ny folo lahy, niaraky tame fokonolo maro izay nitondra sabatry izy ame langilangy, avy ame lohan'e mpisorogny, mpanoradalàgny, da e olombe ame tanagny.
44
Da e mpamadiky nagnome famantaragny andreo hoe:"Izay orofako, gn'izy. Sambory izy da embeno."
45
Refa avy i Jodasy, da tonga da nagnantogny an'i Jesosy sady nizaka hoe: "Raby," sady nagnoroky anazy izy.
46
Avy eo da nosamborindreo i Jesosy.
47
Fa nisy raiky tamindreo teo namoaky sabatry da namira e sofin'e mpanompon'e mpisoronabe.
48
Da hoy i Jesosy tamindreo: "Avy hanambotry Anà anareo, da akò hanambotry dahalo, da miaraky ame sabatry izy ame langilangy anareo?
49
Tamina hitanareo isan'andro sady nampianatry t'ampiangonagny, tsy nosamborinareo. Fizy nanigny izao mba hahatanteraky e Soratry Masigny."
50
Da niala Anazy aby e namany niaraky tamin'i jesosy da tsy nitodiky sanaky.
51
Da nisy kiraolahy raiky, tsy nitafy afa-tsy lamba hariry raiky avao. Nagnaraky an'i Jesosy. Refa nosamborin'olo izy
52
da nalany e lambany da lasa nilefa izy.
53
Nentindreo tame Mpisoronabe i Jesosy. Nivory tamin'Azy teo agnaby e Mpisorona aby, gne olombe ame tanagny, e mpanora-dalàna.
54
Da i Petera nagnaraky Anazy tame sisiny lavidavitry egny avao, hatrame bazagnin'e tokotanin'y mpisoronabe. Nidoboky niaraky tame mpiambigny izy, izay namindro takeky e afo.
55
Da e lohan'e mpisorogny sy Synedriona Jiosy da nitady vavolombelo hanohitry an'i Jesosy mba ahafahandreo hamono Anazy ho faty. F'izy tsy nahita indreo.
56
Fa maro e nagnibitry vandy anazy, nefa e fagnobirandreo tsy mitombogny aby.
57
Nisy olo sasany nitsangagny nagnibitry vandy Anazy; da hoy indreo se:
58
"Da renay izy nizaka hoe: "Ho ravako ity fiangonagny namboarigny tagna ity, da agnatin'e telo andro iao da hanangagny raiky hafa tsy namboarigny tame tagna."
59
Fa mbola tsy mifagnaraky avao moa e fagnobirandreo.
60
Da e mpisoronabe nitsangagny tamindreo teo da nagnotany an'i Jesosy hoe: "Tsy misy havaly sanaky anao io me? Ino me e itorian'itoa olo toa Anao io?"
61
Fa nangigny avao izy fa tsy namaly ndre kidikidy. Da mbola nagnotany anazy avao e Mpisoronabe hoe:"Anao zany i Kristy io? e Zanak'e vôtahy zany?"
62
Da hoy i Jesosy: "Izaho no Izy, ho hitanareo moa e Zanak'Olo refa mipetraky an-tagnan-ankavanan'e herin'Andriamanitry sady refa ambonin'e rahogn'e lagnitry."
63
Da e Mpisoronabe nandrivatry e sikiny sady nizaka hoe: "Mbola mila vavolombelo avao atsika?
64
Efa renareo e vava ratsin'izany. Da ino e fanapaha-kevitrareo?" Indreo agnaby da samby nagnameloky anazy Agnaby mba ho olo tokony hovonoigny.
65
E sasany efa nanomboky nandrora tamin'Azy, sady nandrakotry e tarehiny, da namango anazy sady nizaka anazy hoe: "Maminania sa!" Da e manam-boninahitry moa nangalaky sady nagnabonaky Anazy.
66
Da refa tame bazagny teo i Petera, da nagnatogny anazy e raiky tame mpanompo vavin'e mpisoronabe.
67
Nahita an'i Petera nitsanga namindro tame afo izy, da nodinihiny akeky. Da hoy izy tamin'azy se: "Anao koa niaraky tamin'igny Nazarena igny, i Jesosy"
68
Fa izy moa nandà an'izany, sady nizaka hoe: "Tsy lalako sady tsy azoko e tianao zakaigny." Da avy teo lasa niala e bazagny izy. [Fagnamarihagny: E fandikagny sasany magnampy hoe: "Da nagneno e akoho," fa e fandikagny taloha tsara indrindra da tsy misy anio zaka io.]
69
Da igny zaviavy nahita anazy teo igny nanomboky nizaka tame olo nitsangagny nagnodidigny teo hoe: "Io lelà io da raiky amindreo!"
70
Fa da mbola nandà an'izany avao moa izy. Avy teo da hoy e olo nitsangagny takeky an'i Petera teo hoe: "Da amindreo io mintsy anao ka, satria anao Galiliana."
71
Fa efa nanomboky nagnozon-tegna sady nitangè izy hoe: "Tsy fatako an'izany lelà zakainareo zany!"
72
Da niaraky tamin'izany da nagneno fagnindroiny e akoho. Da avy teo da nahatadidy e zakan'i Jesosy tamin'azy igny i Petera: "Ndre mbola tsy magneno fagnindroiny e akoho da handa Anà in-telo anao." Da nalahelo mafy sady nitomagny izy.
Chapter 15
1
Vô mandraigny be, da nivory indreo mpisoronabe niaraky tamindreo olom-be ame tanagny izy ame mpanora- dalàgny da gne Synedriona jiosy agnaby. Nifiezindreo i Jesosy da nentindreo nijotso. Nomendreo an'i Pilato Izy.
2
Nagnotany Anazy Pilato hoe: "Anao me gne Mpanjakan'ny jiosy?" Nivaliany hoe: "Vôzakanao".
3
Maro gne fagnobiragny nomendreo lohan'e mpisorogny manohitry an'i Jesosy.
4
Nagnontany Anazy indraiky Pilato hoe: "tsy mana-kavaly Anao? hiteo gne hamarozane fagnobiragny nentindreo manohitry Anao!"
5
Tsy namaly an'i Pilato zanaky Jesosy, da nahagaga Anazy zany.
6
Fa tamign'andro fety, da namotsotry gadra raiky ho andreo fezay Pilato, zay gadra angatahindreo.
7
Niaraky tamindreo mpikonikony tam-pigadragny, tamindreo mpamono olo zay vôtazogny noho gne fandraisandreo anjara tamin'e fikomiagny, da nisy lelà raiky i Barabasy gne egnarany.
8
Da negnam'i Pilato gne fokonolo sady nanomboky nangataky taminazy mba hagnano ako e fanaovagny andreo taloha.
9
Nivaliny Pilato indreo hoe: "Tianareo me ra gne Mpanjakan'e Jiosy gne halefako ho anareo?"
10
satria lalany fa fialognagny gne nanoloran'e lohan'e mpisorogny an'i Jesosy taminazy.
11
Fa nagnentagny gne fokonolo indreo lohan'e mpisorogny mba hioraky mafy fa tokony i Barabasy avao gne havotsotry.
12
Da namaly andreo indraiky Pilato hoe: "Ino zany gne tokony ho aniko amin'e Mpanjakan'e Jiosy?"
13
Da niorakoraky koa indreo hoe: "Fatsio Izy!"
14
Hoy Pilato tamindreo hoe: "Ino gne ratsy naniny?" Fa nioraky mafy fezay fezay indreo hoe: "Fatsio Izy!"
15
Te hagnano zay mahafa-po andreo Pilato, farany da nafahany ho andreo Barabasy. Nivangoigny Jesosy da avy eo natolotriny mba ho fatsiagny.
16
Nindesin'e miaramila ho ame bajagny Izy (zay ivotoeram-panjakagny), da nangen-dreo agnaby gne antoko miaramila manontolo
17
nampisikinin-dreo lamba voloparasy Jesosy, da nandrary fatsy indreo sady nametaky anizany taminazy.
18
Da nanomboko nagnotsafa Anazy indreo sady nizaka hoe: "Akôraby sarô, Mpanjakan'e Jiosy e!"
19
Nivangoindreo tamin'e volotara gne lohany sady nandrorandreo. Da nandohaliky tagnatrehany indreo mody nidera Anazy.
20
Refa avy nagnabarabara Anazy indreo, da nendandreo taminazy gne lambany voloparasy sady nampisikinin-dreo Anazy gne raisikiny manokagny, da netindreo nizotso Izy hanomboagny anazy.
21
Noteren-dreo gne olo raiky avy lat'atonda hijoga gne hazofijalian'i Jesosy, lelà raiky atao hoe Simona Kyreniana aban'i Aleksandra izy amin'i Rofosy.
22
Netin'e miaramila tagny amin'e toeragny anigny hoe Gologota Jesosy (zay midika hoe: "Toeran'e karakandoha").
23
Nomendreo divay nifangaro miora Izy, fa tsy nindrano Anizany Izy.
24
Da nifatsiandreo Izy sady nifampizarandreo tamign'alalan'e ankitsapaky gne raisikiny mba hahalalany izay anjara azon'e miaramila tsirairaiky.
25
Tamy telo Izy gne nifatsiandreo.
26
Da nosoratandreo tamin'e fafagny raiky gne fagnobiragny nanohitry Anazy hoe: "Mpanjakan'e Jiosy."
27
Dahalo roy gne niaraky nifatsiandreo taminazy, gne raiky takavana da gne raiky koa takavia.
28
[Fagnamarihagny: gne fandikagny tsara indrindra taloha da tsy magnisy gne Marka 15:28 hoe: "Da tanteraky gne Soratry Masigny hoe: 'Natao ho agnatin'e mpanota Izy.' (Ampitovijo amy Lioka 22:35)]
29
Izay nandalo teo da tsy nagnisy dikany Anazy, nagnifikifiky loha sady nagnano hoe: "Aha! Anao gne afaky mandrava gne fiangonagny sady magnorigny Anazy agnatin'e telo andro,
30
vonjeo gne tegnanao sady midigna lat'amin'io hazofijaliagny io!"
31
Gne lohan'e mpisorogny avakoa da nagnabarabara Anazy ako izany, niaraky tamindreo mpanora-dalàna, sady nizaka hoe: "Nagnavotry gne hafa Izy, nefa tsy nahavotry gne tegnany.
32
Aoka i Kristy, gne Mpanjakan'Israely, hidigny lat'amin'e hazofijaliagny, mb ho hitanay sady hinoanay," da indreo niaraky nifatsiagny taminazy igny da nagnabarabara Anazy avakoa.
33
Tamin'ny 6, da nivadiky mizigny gne tanagny hatramin'ny 9.
34
Da mbola tamin'ny 9 io avao da nizaka tamin'e feo mafy be Jesosy hoe: "Eloy, Eloy, lamà sabaktany?" Zay midika hoe: "
Andriamanitry ô, Andriamanitry ô, nagnino da foinao lôtry Iao?"
35
Gne sasany tamindreo zay naregny gne zakany da nizaka hoe: "Hiteo, mangaiky an'i Elia Izy."
36 Nisy olo raiky niezakazaky, nagnasetry gne sipaonjy tagnatin'e divay marikivy, sady nametaky anizany tamin'e volotara, da nagnome anizany ho sotroiny. Igny lelà nizaka hoe: "Eo gne ahitanay Anazy ho ampidignin'i Elia." 37 Avy eo Jesosy da nizaka tamin'e feo mafy da maty. 38 Rota nizara roa lat'ambony ka hatr'ambany gne lamban'e fiangonagny.
39
Refa hitan'igny kapiteny izay nitsangagny sady nifagnatriky tamin'i Jesosy fa maty tam'zany fomba zany Izy, da nizaka hoe: "Tena zanak'Andriamanitry marina tokôtry io lelà io."
40
Da nisy viavy nagnety avakoa lavitry be tegny. Agnisan'izany i Maria Magdalena, Maria(endrin'i Jakoba zandriny sy Josesy), da Salome
41
tamin'izy tà Galilia da nagnaraky Anazy sady nanompo Anazy indreo. Da viavy maro hafa koa gne niara-nandeha taminazy tà Jerosalema.
42
Refa aligny gn'andro, satria andro fiomagnagny, izany hoe, andro mialohan'e Sabata io,
43
da avy teo i Josefa lat'Arimatia. Mpikambagny hajaigny ao amin'ny Synedriona izy, izay nandigny gne fanjakan'Andriamanitra. Nanagny fasahiagny Izy nandeha amin'i Pilato hangataky gne fatin'i Jesosy.
44
Gaga Pilato hoe maty sahady Jesosy; da nangeny i kapiteny sady nagnotaniany raha maty Jesosy.
45
Refa nahazo antoky tamin'igny kapiteny igny Izy fa maty Jesosy, da nomeny an'i Josefa gne vata mangatseky.
46
Da nividy lamba fatatry Josefa. Nampidigny an'i Jesosy lat'ame hazofijaliagny izy, da namogno lamba fatatry Anazy, sady nametraky Anazy tagnatin'e kobory izay nangadigny tamin'e vatolampy. Avy eo namaringarigny vato teo amin'e varavaram-pasagny Izy.
47
Da hitan'i Maria Magdalena izy amy Maria endrin'i Jesosy gne toeragny nandevegnagny Anazy.
Chapter 16
1
Refa vita gnandron'e Sabata, da nividy raha magnitry agnosoragny e fatin' i Jesosy Maria Magdalena miaraky amin'i Maria endrin'i Jakoba, sady Salome nividy hanitry mba handeha hagnosorany e fatin'i Jesosy.
2
Mbola mandraigny be tamin'e andro voalohany gne herign'andro, da nandeha ame kobory indreo refa nibôky gne masoandro.
3
Da nifampiresaky indreo hoe: "Ia gne hanokatry e vato ame varavam-pasana amintsika?"
4
Refa niandra indreo, da hitany fa nisokatry niala e vato, zay tena zakabe tokôtry.
5
Niditra ame kobory indreo da nahita kiraolà nisiky lamba fotsy, nidoboky ame ankavanagny, sady gaga indreo.
6
Da hoy Izy tamindreo hoe: "Ka malia. Mitadia an'i Jesosy anareo, ilay Nazarena, nofatsiagny. Nitsangagny Izy! Tsy etoa Izy. Taragno e nagnisianareo An'azy.
7
Fa mandàna, izakay e mpianatriny miaraka amin'i Petera nandeha hialoha lalagny anareo agny Galilia Izy. Agny e ahitanareo An'azy. Araky e nijakainy taminareo."
8
Nijotso indreo da niezakazaky niala tame kobory; nangitakitaky sady gaga indreo. Tsy nizaka ndre ino ndre ino tamign'olo indreo satria nalia be.
9
[Fagnamarihagny: Gne fandikagny tsara indrindra da mangalaky e Marky: 16:9-20] Vao mandraigny tame andro voalohany gne herin'andro, tafaran'e nitsanganany, da niboaky tamin'i Maria Magdlena Izy, ilay nandroahany devoly fito.
10
Da lasa i Maria nizaka vaovao tamindreo miaraky tamin'i Jesosy, raha mbola nalahelo sady nitomagny indreo.
11
Re-ndreo fa velogny Izy sady nahita An'azy Izy, saingy tsy nino indreo.
12
[Gne fandikagny tsara indrindra da mangalaky e Marky:19:9-20] Tafaran'io ra io Jesosy da nibôky tamin' endriky hafa tamin'e roy tamindreo, raha nandeha antanàgny indreo.
13
Da lasa indreo niala nizaka tame mpianatriny sisa, saingy tsy nino indreo.
14
14[Fagnamarihagny: Gne fandikagny teny tsara indrindra da mangalaky e Marky:16-9-20] Tafarafara kely da nibôky tamin'e mpianatriny raiky ame roa ambiny folo là Jesosy, raha mbola nihinagny indreo, sady nizaka An'azy indreo noho gne tsy finoandreo, miaraky ame hamafin'e fo-ndreo, satria tsy nino zay nahita An'azy tafaran'e nitsanaganany tamin'e maty indreo.
15
Da hoy Izy tamindreo hoe: "Mandàna agny amin'izao tontolo izao, ambaray amin'e gn'olo agnaby e Filazantsara.
16
Da gne mino izy ame vita batisa gne ho vonjegny, sady zay tsy mino kosa da ho helohigny.
17
[Fagnamarihagny: Gne fandikagny taloha tsara indrindra da mangalaky Mariky:16:9-20] Itoa famataragny toa da hagnaraka e mino: Amign'agnarako da avôky devoly. Hizaka amin'e zaka vaovao indreo.
18
Handray menaragny ame tagna sady raha mindrano raha mahafaty indreo, da tsy ampagnino An'azy. Ametraky tagna ame marary indreo da ho afaky io.
19
[Gne fandikagny tsara indrindra taloha da mangalaky Mariky:16:9-20] Refa avy nikoragny tamindreo e tompo, da nampiakarigny agny andagnitry Izy, nidoboky ankavanan'Andriamanitra.
20
Da lasa e mpianatriny nagnambara e zakany tamin'e olo agnaby sady e Tompo niaraky niasa tamindreo, da namafisiny e zakany tamign'alalan'e famantaragny niaraky tamindreo.
Luke
Chapter 1
1
Maro gne niezaky nanoratry tantara momba gne ra nitranga izay tanteraky tamitsika,
2
araka gn'efa nanoloran-dreo anazy tamitsika, izay efa vavolombelogny nagnatriky masosy mpanompo gne zaka nanomboky tame voaloany.
3
Da amina koa da ako mety - rehefa nagnotany tsara gne fandeanan'gne ra marobe hatrame valoany - gne hanoratry tatitry araky gne filaharany ho anao, ndry Teofilo tena mendriky.
4
Izany da mba hahalalanao e marigny momba gne ra izay nampianarigny anao.
5
Tame andron'i Heroda, mpanjakan'gne Jodia, da nisy raiky tame mpisorigny nangiagny hoe Zakaria, avy ame antokon'i Abia. Gne vadiny da avy ame zanaky viavin'i Arona, da e agnarany da Elizabeta.
6
Samby marina tagnatrehan'Andriamanitry indreo, da nankatoa gne didy marobe sy gne fitsipik'e Tompo.
7
Fa tsy nanagny zanaky anefa indreo, satria tsy miteraky Elizabeta, sady efa tena antitry avakoa indreo roy tamizany fotoagny izany.
8
Da izany da mahakasiky an'i Zakaria teo fagnatrehan'Andriamanitry, nagnatanteraky gne asan'e fisoragny arake fifandimbiasan'gne isan-tokony.
9
Araky gne fomba fanin-dreo e ame fisafidianagny mpisorogny izay tokony hanompo, da voafidin'e kodia kidy hiditry handoro gne emboky magnitry ampiangonan'e Tompo izy.
10
Tame lera nandoroagny gne emboky magnitry da nivavaky ta ivelany gne fokonolo marobe.
11
Da nisy anjelin'e Tompo niboky taminazy da nitsangagny takavanagn'e alitara nisy gne emboky magnitry.
12
Rehefa nahita anazy i Zakaria, da nataotry sady feno taotry izy.
13
Fa hoy gne anjely taminazy: "Ka mataotry, ry Zakaria, efa notenomigny gne vavakinao. Hitoe-jaza lela aminao Elizabeta vadinao. Jaona gnaninao agnarany.
14
Hanagny fifaliagny sy haravoagny anao, da maro koa gne ho faly ame fahaterahany.
15
Satria ho zakabe izy imason'e Tompo. Tsy hisotry divay na toky mihitsy izy, sady ho feno Fanahy Masina hatran-kibon'e endriny izy.
16
Maro ame fokinolon'Israely gne hitodiky ame Tompo Andriamanitrin-dreo.
17
Handea alohan'gne tavan'e Tompo ame fanahy sy gne herin'Elia izy. Izany gnaniny da gne mba hitodian'e fon'e ray ame zanaky, mba handianandreo izay tsy magnaky amin'gne lalan'e fahendren'e marina - mba hagnomanagny fokonolo efa vognona ho ane Tompo nohomanigny ho Anazy."
18
Da Zakaria nizaka tame anjely hoe: "Akoignaia e halalako anizany? Fa iao efa lela anitry da gne vadiko da tena efa mavozo."
19
Da hoy e anjely namaly sy nizaka taminazy: "Iao gne Gabriela, gne mitsangagny anatrehan'Andriamanitry. Da vohiraky iao mba hagnambara aminao, hitondra izao vaovao tsara izao aminao.
20
Da igny! Ho moa anao, da tsy hafaky hizaka, mandram-piavin'gne andro hisehoan'izany ra izany. Satria tsy natokygne zakako anao, izay tanteraky ame fotoagny voafaritry."
21
Da gne fokonolo valaky nandigny an'i Zakaria. Gaga tame nijanonany ela be tampiangonagny indreo.
22
Da rehefa nivoky izy, da tsy hafaky nikoragny tamindreo. Sady fantatrin-dreo fa naita fahitagny izy tame tampioangonagny. Nagnano beko moa tamindreo izy sady nijanogny ho moa.
23
Da rehefa tonga e andro natapitry gne fanompoany, da lasa nody tandragnony izy.
24
Tafaran'io andro io, da nitoe-jaza Elizabeta da nifiny tagnatin'gne dimy volagny. Hoy izy hoe:
25
"Izao gnanin'e Tompo ho ana rehefa nitsinjo ana Izy mba hangalany gne hegnatry agnatrehan'gne olo."
26
Tame faha enim-bolagny, da nagniraky gne anjely Gabriela gn'Andriamanitry nandea tame tanagny raiky ta Galilia nagniagny hoe Nazareta,
27
ho ame virijiny raiky izay fofom-badina le nangizagny hoe Josefa. Agnisan'gne taranak'i Davida izy, da e agnaran'e virijiny da Maria.
28
Nandea taminazy izy da nizaka hoe: "Akoraby, e ilay nasoavagny indrindra! Ho ao aminao e Tompo."
29
Da tena very hevitry tame zakany izy nagnotany tegna hoe fiarabagny akoignaia izany.
30
Hoy gn'anjely taminazy: "Ka mataotry Maria, fa efa nahita sitraky tamin'Andriamanitry anao.
31
Indro, hitoe-jaza anao da hiteraky zaza lela. Da aninao 'Jesosy' gnagnarany.
32
Ho zakabe Izy sady hanigny hoe Zanak'e Avo Indrindra. Gne Tompo Andriamanitry hagnome Anazy e seza fiandrianan'i Davida razambeny.
33
Da hanjaka mandrakizay ame taranak'i Jakoba izy, da tsy hanagny fahataperagny gne fanjakany."
34
Hoy Maria tame anjely: "Akoignaia gne hisehoan'izany, fa mbola tsy niaraky natory tame lela iao?"
35
Gne anjeky namaly sy nizaka taminazy hoe: "Hirotsaky aminao gne Fanahy Masigny, da gne herin'e Avo Indrindra gne hoavy aminao. Da gne masina ho teraky da ho hangiagny hoe Zanak'Andriamanitry.
36
Indro, Elizabeta havanao da hitoe-jaza lela avakoa ndre da tame fahanterany aza. Efa enimbolagny izy izao, naninolo hoe momba.
37
Satria tsy misy ra tsy ho tanterahigny amin'Andriamanitry."
38
Hoy Maria: "Indro, iao e mpanompovavin'e Tompo. Ho tanteraky amina izany araky gne hafatrinao." Da niala taminazy gn'anjely.
39
Da tamizany andro izany Maria da niala da nandea nalaky tame tany ambony, ame tanagnin'i Jodia.
40
Nandea ame tragnon'i Zakaria izy da niarahaba an'i Elizabeta.
41
Da ra naregny gne hotsafan'i Maria i Elizabata, da nietsiky gne zaza takibony, sady feno Fanahy Masigny Elizabeta.
42
Nampiaka-peo sy nizaka mafy izy hoe: "Nosoavigny noho gne viavy marobe anao, sady nosoavigny e naterak'e trokinao.
43
Nagnino izany e mitranga amina fa gne endrin'e Tompo e tonga nagnatogny ana?
44
Da igne, rehefa tonga tame sofiko e fagnotsafanao, da faly gne zaza tatrokiko.
45
Sambatra izy izay nino fa ho tanteraky gne ra izay nizakain'e Tompo taminazy."
46
Hoy i Maria: "Midera e Tompo gne fagnako,
47
da gne fagnako nifaly tamin'Andriamanitry mpamonjiko.
48
Da nagnety gne fahantran'e mpanompo vavy Izy. Da indro, manomboky amizao gne taranaky marobe hangaiky ana hoe sambatry.
49
Satria nagnano ra zakabe tamina gne mahefa e ra marobe, sady masina e agnarany.
50
Da maharitry ho ane taranaky faramandimby izay matahotry Anazy gne famindrampony.
51
Nagnambara gne heriny tame sandriny izy; da nagnaparitaky gne izay nirehareha tame eritreritry e fon-dreo.
52
Naongany tame seza fiandrianagny e zanaky lelan'e mpanjaka da gne ambany nasandratriny.
53
Naniny voky ra tsara gne mosare, fa gne manadra nampajariany tsy nanagny ndre ino ndre ino.
54
Nagnome fagnampia an'Israely mpanompo Izy, mba hatsarovany hagnaboky famindram-po
55
(araky gne nizakainy tame abatsika) tamin'i Abrahama sy gne taranaky mandrakizay."
56
Nijanogny nipetraky tamin'i Elizabeta tokony ho telo volagny i Maria da aveo nipody nody tan-dragnony.
57
Da tonga gne fotoagny hiteran'i Elizabeta e zanany da niteraky zaza lela izy.
58
Naregny gne famindram-po zakabe nanin'e Tompo taminazy gne mpiray tanagny aminazy sy gne havany, da nifaly niaraky taminazy indreo.
59
Da tame andro faha valo da tonga hamora gne zaza indreo. Seky ho angiandreo hoe "Zakaria," araky gne agnaran'i abany izy.
60
Fa i endriny namaly da nizaka hoe: "Aeky. Jaona gnangizagny anazy."
61
Da hoy indreo taminazy: "Tsy misy ame havanao hangiagny amizany agnaragny izany."
62
Nagnano beko moa tamin'i abany indreo gname tiany hanigny gne agnarany.
63
Nangataky solaitry fanoratagny e abany da nanoratry hoe: "Jaona e agnarany." Da gaga tamizany gne marobe.
64
Da niaraky tamizany da nisokatry gne vavany sady nafahagny gne lelany. Nizaka izy da nidera an'Andriamanitry.
65
Nataotry gne olo nagnodidigny marobe andreo. Da niely eran'e tanagny avon'i Jodia e ra niseomarobe teo.
66
Da gne marobe naregny da nandray tam-pony, da nizaka hoe: "Ho lasa ino ity zaza ity?" Fa momba anazy gne tagnan'e Tompo.
67
Da feno Fanahy masina i Zakaria rainy da naminany, da nizaka hoe:
68
"Deraigny anie e Tompo, Andriamanitr'Israely, fa tonga nagnampy sy nagnatanteraky e fanafahagny ho ane fokonolo Izy.
69
Nasandratry ambony gne tandrom-panavotagny ho antsika an-dragnon'i Davida mpanompony Izy,
70
akô gne nambarany tame vavan-dreo mpaminany masina tame andro taloha tagny.
71
Hitondra famonjegny ame fahavalontsika sy ame tagnan'gne malaigny antsika Izy.
72
Haniny izany mba hagnambarany gne famindram-po ame abatsika sy hampatsiahivagny gne fanekem-pihavanagny Masina,
73
da gne fiainagny nizakainy tamin'i Abrahama abatsika.
74
Nianiagny gne hahazaoantsika, rehefa afaky tame tagnan'e fahavalontsika, manompo Anazy tsy mataotry,
75
am-pahamasinagny sy am-pahamarinagny agnatrehany ame androntsika marobe.
76
Eka, da anao, zaza, da ho angiagny hoe mpaminanin'e Avo Indrindra, da handea hialo gne tavan'e Tompo anao sady hagnambotry e lalany, mba hagnomagny e olo ame fiaviagny,
77
mba hagnome fahalalam-pamonjegny ho ane olo ame alalan'e famelagny e helokin-dreo
78
Izany e hiseho da nohon'e famindram-po masin'Andriamanitritsika, nohon'gnamizany e hiposahan'e masoandro avy ame avo mba ho avy agnampy antsika,
79
hagnazava an'gne mipetraky agnatin'e mizigny sy gne agnatin'e alokin'e fahafatesagny. Haniny izany mba hitarihagny gne tongotritsika ame lalam-piadanagny."
80
Da gne zaza da nitombo sady tonga nahery ame fagnahy, da tagny antany foagny izy mandra-piavian'e andro hisehoany ankarihary amin'Israely
Chapter 2
1
Sady tamizany andro izany, da nandefa didy mibeko gne hagnisagny gn'olo miaigny eto amizao tontolo izao agnaby i Aogosto Kaisara.
2
Izany gne fagnisagny fokon'olo nanigny voalohany tamin'i Kyrenio mpanapaky tagny Syria.
3
Noho izany gn'olo agnaby da negnagny ame tanagny neviany aby mba hisoratry agnara ame fagnisagny fokon'olo.
4
Da nandeha niakatry avy tagny Galilia koa Josefa, avy tagny antanagnin'i Nazareta, ho agny Jodia, tanagnin'i Davida izay antsovagny hoe Betlehema, satria izy avy ame tragno izy ame fianakavian'i Davida.
5
Nandeha tagny izy mba hisoratry agnara niaraky tam'i Maria, izay fofom-badiny sady bevohoky.
6
Sady raha mbola tagny indreo, da avy gne fotoagny hiterahany gne zanany.
7
Niteraky zaza lelà izy, zanany voalohany, sady izy nandrakotry lamban-jaza an'Azy da nampatory an'Azy tame fihinanagny vilogny, satria tsisy toeragny ho andreo tao ame hotely.
8
Nisy mpiambigny ondry tamizany faritry izany izay nijanogny tagny antanimboly, niambigny gne andian'ondriny tame aligny.
9
Nisy anjelin'ny Tompo nibôky tamindreo, sady gne voninahitry gne Tompo namirapiratry magnodidigny an'azy, sady feno tahotry zakabe indreo.
10
Da nizaka tamindreo gn'anjely nagnano hoe: "Ka matahotry, fa hitondra vaovao tsara izay hinday hafaliagny zakabe ho ane gn'olo agnaby iao.
11
Androany da nisy mpagnavotry izay teraky ho anareo agny antanagnan'i Davida! Izy gne kristy Tompo!
12
Izao gne famataragny izay homegny anareo: Hahita zazamena mirakotry lamban-daza sady matory eo ame fihinanagny vilogny anareo."
13
Tampoky teo niaraky tame anjely, da nisy tafiky gne lagnitry marobe nidera an'Andriamanitry nagnano hoe:
14
"Voninahitry ho Andriamanitry agny ame ambony indrindra, da hisy fiadanagny anie eto ame tany eo ame gn'olo izay ankasitrahany."
15
Ary refa niala teo amindreo negn'andagnitry gne anjely, gne mpiambigny ondry nikoragny hoe: "Andeha atsika izao ho agny Betlehema, sady hagnety an'izany raha nibôky izany, izay nampafantarin'ny Tompo atsika izany.
16
Nandeha nalaky tagny indreo sady nahita an'i Maria izy am'i Josefa, sady nahita gne zazamena natory tame fihinanagny vilogny.
17
Tafaran'e nahitandreo an'Azy, da nampafantarindreo gne raha nozakaigny andreo momba an'io zaza io.
18
Izay naharegny an'izany da gaga agnaby gn'ame nozakain'e mpiambigny ondry tamindreo.
19
Fa i Maria kosa nanohy nieritreritry momba gne raha agnaby izay regniny, sady nitadidy an'zany tame fony.
20
Niverigny gne mpiambigny ondry, nagnome voninahitry da nankalaza an'Andriamanitry nohon'e raha agnaby izay regnindreo izy ame hitandreo, araky izay nozakaigny tamindreo.
21
Nony tapitry gn'andro fahavalo, refa noforàgny Izy, da nomegny agnara hoe Jesosy, e agnara nomen'e anjaly an'Azy talohan'e nametrahagny an'Azy tao ankibo
22
Sady refa lasa gn'isan'e andro notakiagny hidiovany, araky gne lalàn'i Mosesy. da ninday an'Azy niakatry ho agny ampengonagny tao jerosalema i Maria izy am'i Josefa mba hanolotry an' Azy eo am'i Tompo.
23
Araky izay voasoratry ao ame lalagnin'i Tompo hoe: "Gne lelà agnaby izay voalohanteraky da hatokagny ho an'i Tompo.
24
Noho izany da nanolotry sorogny araky izay voazaka ao ame gne lalàgnin'e Tompondreo, "Domohigny roy ndre Zanak'e voromamanga roy."
25
Sady indro, nisy lelà tagny Jerosalema, Simona gn'agnarany, sady izany lelà izany da marigny sady mafana fo. Nitady gne fampiononagny an'Israely izy, sady tao amin'azy gne Fanahy Masina.
26
Nambaran'e Fanahy Masina tamin'azy fa tsy ho faty izy mandrapahitany gne Kristin'e Tompo.
27
Notarihan'e Fagnahy, negn'ampengonagny i Simona. Refa nitondra an'i Jesosy zazamena niditry i abany amendriny, mba hagnano an'Azy araky gne fomba ao ame lalàgny,
28
da notrotroiny Izy sady nidera an'Andriamanitry sady nagnano hoe:
29
"Amizao fotoagny izao avelay andeha am-piadanagny gne moanomponao, ry Tompo, araky gne zakanao.
30
Fa gne masoko nahita gne famonjenao,
31
izay nomagninao tame fagnatrehan'olo agnaby:
32
Da fahazavagny ho fagnambaragny ho an'e Jentilisa sady voninahitry ho an'Israely olonao. "
33
Iabany amendrin'e zaza da gaga tame raha nozakaigny mahakasiky an'Azy.
34
Namafy rano andreo Simona sady nizaka tam'i Maria endriny hoe: "Indro, ity zaza ity da voatendry ho ame fandavoagny sady fanandratagny gne olon'Israely maro sady ho famantaragny izay nolavigny-
35
sady nisy sabatry handoaky gne fagnahinao- mba ho voambara gne hevitrin'e fo maro."
36
Nisy mpaminany vavy raiky antsovagny hoe Ana teo. zanak'i Fanoela viavy avy ame foko Asera izy. Tena antitry izy. Nipetraky niaraky tame vadiny fito taogny tafaran'e naha virijiny an'azy izy,
37
sady mpitondra tena nandritran'e efatry amby valopolo taogny. Tsy niala gne fengonagny mihitsy izy fa nanompo tame fifadiankanigny izy ame vavaky andro aman'aligny.
38
Tamizany lera izany indrindra da nagnatogny akeky andreo izy sady nanomboky nagnome fisaoragny an'Andriamanitry sady nizaka gne momban'e zaza tamign'olo agnaby izay nandigny fagnavotagny an'i Jerosalema.
39
Refa nahavita gne raha agnaby nasaigny naniny araky gne lalàgnin'i Tompo indreo, da niverigny tagny Galilia, agny ame tanagnindreo agny Nazareta.
40
Nitombo gne zaza sady nenatanjaky, nitombo fahendregny, sady gne fahasoavan'Andriamanitry da tao amin'Azy.
41
Iabany amendriny da negna Jerosalema isantaogny hamonjy gne fetin'e Paska.
42
Refa roy ambifolo taogny Izy, da nandeha negnagny araky gne fomba fanigny ame fety indraiky indreo.
43
Sady refa avy nipetraky tagny nandritry gne andro fety manontolo indreo, da nanomboky niverigny nody indreo. Fa Jesosy nijanogny tagny Jerosalema nefa tsy lalan'iabany amendriny izany.
44
Nanindreo fa niaraky tamign'olo niara dia tamindreo Izy, da nandeha nandritry gn'andro raiky manontolo indreo. Sady avy eo da nanomboky nitady an'Azy tagny ame havany izy ame namany indreo.
45
Refa tsy hitandreo Izy, da nipody tagny Jerosalema indreo ka nanomboky nitady an'Azy tagny.
46
Nony afaky telo andro, da hitandreo tao ampengonagny Izy, nipetraky tategnategnan'e mpampianatry, niteno andreo sady nametraky fagnotaniagny tamindreo.
47
Izay naharegny an'Azy agnaby da gaga tame fahalalany izy ame valiteniny.
48
Refa nahita an'Azy indreo, da gaga. Iendriny nizaka tamin'Azy hoe: "Zanako, nagnino anao nagnano akôn'izao anay sa? Tenomy, iay am'iabanao da nitady tamign'angoegnagny."
49
Nizaka tamindreo Izy hoe: "Ino gne nitadiavanareo Anà sa? Tsy lalanareo me Iao fa tsy maintsy ho ao andragnon'Iabako?"
50
Fa tsy azondreo izay tiany ho zakaigny tamizany zakany izany.
51
Da nody niaraky tamindreo tagny Nazareta Izy sady nankatò andreo. Iendriny da nitadidy an'izany tam-pony.
52
Fa Jesosy nenitombo fahendregny sady nitombo tegna, da nitombo fitia tamin'Andriamanitry izy amign'olo
Chapter 3
1
Tame taogny faha dimy amby folo nanjakan'i Tiberie Kaisara- fony Pontio Pilato gne governeran'i Jodia, Heroda da mpanapaky tao Galilia, Filipo rahalàny da mpanapaky tao ame faritry Itoria izy am'i Trakonitsy, sady Lysania da mpanapak'i Abilena,
2
nandritry gne fisorognamben'i Aniasy izy am'i Kaiafa- da avy tam'i Jaona zanak'i Zakaria lelàtagny ame tany fôgny gne zakan'Andriamanitry.
3
Nandeha tagny ame faritry magnodidigny an'i Jordana agnaby Izy, nitory gne batisan'e fibebahagny ho famelagny gne heloky.
4
Araky gne voasoratry ao ame bokin'e zakan'Isaia mpaminany hoe: "Nisy feo riky nangeky mafy avy agny ame tany fôgny hoe: 'Amboary vonogny gne lalagnin'i Tompo, amboaro mahitsy gne lalagny handehanany.
5
Gne lohasaha agnaby hototofagny, sady gne tendrombohitry izy ame havoagny hajetsy, sady gne lalagny miolakolaky da amboarigny mahitsy, sady gne tany mikitoatoagny da ho anigny lalagny,
6
sady gne nofotry agnaby da ahita gne famonjen'Andriamanitry.'"
7
Da nizaka tamy fokon'olo ho aniny batisa i Jaona hoe: "Anareo taranak'e menaragny! Ia gne nampitandrigny anareo mba hilefa gne fahavigniragny izay ho avy?
8
Noho izany, mamokara voa mendriky gne fibebahagny, da ka mizaka ao agnatinareo hoe: 'Iay managny an'i Abrahamaho rainay,' fa mizaka anareo iao fa Andriamanitry da afaky manangagny zanaky ho an'i Abrahama avy amireto vato ireto.
9
Amizao aza gne famaky da mipetraky eo ame vodi-kazo. Ka izay kakazo tsy mamoa voa tsara agnaby da ho voatapaky sady hatsipy agny ame afo."
10
Sady gne fokon'olo da nagnotany an'azy fezay, nizaka hoe: "Ino zany gn'aninay?"
11
Da hoy izy namaly andreo hoe: "Raha misy olo managny akanjo lava roy, da tokony mijara an'izany amign'olo tsy managny izy, sady izay managny hanigny koa da tokony hagnano akôn'izany. "
12
Gne mpamory hetra koa nda avy mba hanigny batisa, sady nizaka tamin'azy hoe: "Ô mpampianatry eh, ino gne tsy maintsy hanìnay?"
13
Nizaka andreo izy hoe: "Ka mangala vola mihôtry gne nasaigny halainareo."
14
Miaramila maromaro koa nagnatogny an'azy, nizaka hoe: "Akôgnaia gne momba anay? Ino gne tsy maintsy anìnay?" Nizaka tamindreo izy hoe: "Ka mangala vola amin'olo an-keriny, sady ka miapanga vandy olo mifalia ame karamanareo."
15
Sady raha nandigny fatratry gne fevisan'i Kristy gn'olo, da nagnotany tame fony gne mahakasiky an'i Jaona gne tsiraidraiky, na mety ho izy na tsy ho izy gne Kristy.
16
Namaly tame fizakagny an'azy agnaby i Jaona hoe: "Raha gn'aminà, da magnano batisa anareo ame rano iao, fa misy olo raiky ho avy izay mahery mihôtry anà, sady tsy mendriky iao ndre gne hanataky gne tady kirarony aza. Hagnano batisa anareo ame Fanahy Masina izy ame afo Izy.
17
Ame tagnany gne fikororoagny mba hagnadiovagny tsara gn'ao am-pamoloany izy ame handagnonagny gne vary ho agny ame tragnambony. Fa ho dorany ame afo tsy mety vonoigny gn'akofa. "
18
Niaraky tame fagnanaragny maro hafa avakoa, Jaona nitory vaovao tsara ho an'e fokon'olo.
19
Heroda mpanapaky refa nanarigny nohon'e fanambadiagny gne vadin'e rahalàny Herodiasy, sady nohon'e raha ratsy hafa izay vitany agnaby,
20
da ho fagnampin'izany, da nidigny tagny am-pigadragny i Jaona.
21
Sady, refa vita batisa aby gn'olo agnaby, da nanigny koa i Jesosy, da raha mbola nivavaky izy, da nivoha gne lagnitry,
22
sady gne Fanahy Masina nangala endriky da nidigny teo amin'Azy akô voromamanga, sady nisy feo avy agny andagnitry nagnano hoe: "Anao gne zanako, malalako. Faly Iao nohon'e aminao."
23
Refa nanomboky gn'asa fanompoagny Jesosy, da teo ame telo polo taogny teo Izy. Izy gne zanak'i Josefa lahy (araky gne fiheveragny), zanak'i Hely,
24
zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa.
25
Josefa da zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Elsy, zanak'i Nagay, zanak'i Mata,
26
zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda.
27
Joda da zanak'i Joanana, zanak'i Rase, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery,
28
zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era,
29
zanak'i Josoa, zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy.
30
Levy da zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima,
31
zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida,
32
zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona.
33
Nahasona da zanak'i Aminadaba, zanak'i Adimina, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fazera, zanak'i Joda,
34
zanak'i Jakoba, zanak'i Isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora,
35
zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela.
36
Sela da zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka, zanak'i
37
Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana,
38
zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, Zanak'Andriamanitra.
Chapter 4
1
Tafaran'izany Jesosy, refa feno gne Fanahy Masina, da nipody avy tagny ame reniranon'i Jordana, sady nindesin'e Fanahy Masina tagny ame tany fôgny
2
izay nangalan'e devoly fagnahy an'Azy nandritry gne efa-polo andro. Tsy nihinagny ndre ino ndre ino Izy nadritry an'io andro io, sady tame fotoagny farany da mosaregny Izy.
3
Gne devoly nizaka tamin'Azy hoe: "Raha zanak'Andriamanitry Anao, da didio ho lasa mofo io vato io."
4
Namaly an'azy i Jesosy hoe: "voasoratry hoe: 'Tsy gne mofo avao gne mahavelogny gn'olo. "'
5
Avy eo da nindesin'e devoly tegny ame toeragny ambony Jesosy sady nabôkiny an'Azy tselatsela aby gne fanjakan'izao tontolo izao agnaby.
6
Gne devoly nizaka tamin'Azy hoe: "Homeko Anao gne fahefagny izy ame famirapiratagny agnaby, satria efa nomegny anàio, sady afaky omeko gn'olo izay tiako omegny an'azy.
7
Noho izany, raha mandongaliky sady manompo anà Anao, da ho lasanao izany. "
8
Kanefa Jesosy namaly ka nizaka an'azy hoe: "Voasoratry hoe: 'Hidera gne Tompo Andriamanitrao anao, sady Izy raiky avao gne ho Tompoinao.'"
9
Avy eo gne devoly da ninday an'i Jesosy tagny Jerosalema sady napetrany tegny ame fara-tampon'e Fengonagny, sady nizaka tamin'Azy hoe: "Raha zanak'Andriamanitry Anao, da milatsaha ambany agny Anao.
10
Satria efa voasoratry hoe: 'Hibeko gn'anjeliny gn'aminao Izy, mba hiaro anao ame tagnany,'
11
sady, 'Indreo hanandratry anao ame tagnany, mba tsy ho tafatoignin'e vato gne tombokao.'"
12
Namaly an'Azy, Jesosy nizaka hoe: "Efa nambara hoe: 'Ka mangala fagnahy gne Tompo Andriamanitrao.'"
13
Refa vita gne fangalan'e devoly fagnahy an'i Jesosy, da lasa izy sady niala an'Azy madra pevian'e fotoagny hafa.
14
Avy eo Jesosy nipody tagny Galilia tame herin'e Fanahy, sady gne vaovao momba an'Azy da efa niparitaky nagneragny gne faritry magnodidigny agnaby.
15
Da nanomboky nampianatry tao ame Synagogan-dreo Izy sady noderaindreo agnaby.
16
Nandeha tagny Nazareta Izy, e tanagny nahazakabe an'Azy, sady araky gne fomba faniny, da niditry tao ame synagoga tame andro sabata Izy ka nitsangagny mba hamaky teny mafy.
17
Nomegny an'Azy gne taratasin'Isaia mpaminany. Nosokafany e boky da hitany gne toeragny nanoratagny an'azy,
18
Gne Fanahin'ny Tompo da ato aminà, satria Izy nanosotry Anà hizaka gne vaovao mahafaly ho an'e sahiragny. Izy gne nandefa anà hagnambara fahafahagny ho an'e babo, sady hamerigna gne fahitagny ho an'e jamba, hagnafaky an'izay ampahoriagny,
19
hagnambara gne taogny fankasitrahan'Andriamanitry."
20
Avy eo da navorongorony gne taratasy, napodiny tagny ame mpitandrigny, sady nipetraky Izy. Gne masondreo tao ame synagoga agnaby da nagnety an'Azy.
21
Nanomboky nikoragny tamindreo Izy hoe: "Androany ity Soratra Masina ity da tanteraky eo ampitenomanareo."
22
Indreo tao agnaby da nizaka tsara gne momba an'Azy sady gaga tame zaka nisy fahasoavagny izay naloakin'e vavany indreo, sady nagnotany indreo hoe: "Fa tsy e zanak'i Josefa me ity?"
23
Nizaka tamindreo Izy hoe: "Azo antoky fa hizaka an'ity ohabolagny ity aminà anareo hoe: 'Dokotera, tsaboy gne tegnanao. Ndre ino ndre ino regninay fa naninao tao kapernaomy, da magnamboara akô izany agny ame taninao."'
24
Nefa nizaka Izy hoe: "Zakaiko marigny aminareo, tsisy mpaminany voaray ao ame taniny.
25
Kanefa zakaiko marigny aminareo fa maro gne viavy mpitondra-tegna tagny Israely tamign'andron'i Elia, raha nihidy gne lagnitry nandritry gne telo taogny sy enimbolagny, sady nisy mosary be tame tany agnaby.
26
Nefa i Elia tsy nalefa na tame raiky tamindreo aza, fa tao Zerapata any Sidona avao, tagny ame mpivantotry izay nipetraky tagny.
27
Fa maro gne boka tao Israely tamign'andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy nisy ndre da raiky tamindreo aza sitragny afa tsy Namàna Syriana. "
28
Gn'olo agnaby tao ame Synagoga da feno havigniragny refa naharegny an'io raha io.
29
Nitsangagny indreo, nanery an'Azy hiala gne tanàgny, sady nandefa an'Azy tegny antampokavoagny izay nioregnan'e tanàgnindreo, mba handatsahagny an'Azy ame hantsagny.
30
Nefa nandeha namakivaky teo antegnategnandreo Izy da lasa nandeha tagny ame toeragny hafa.
31
Avy eo Izy da nidigny tagny Kapernaomy, tanagny raiky agny Galilia, sady nanomboky nampianatry andreo tame sabata Izy.
32
Indreo da gaga be tame fampenaragny namboariny, satria nizaka tame fahefagny Izy
33
Sady tao ame synagoga da nisy lelà izay nipetrahan'e fagnahy maloton'e demonia, sady izy da nitoreo tame feo mafy hoe:
34
"Ah! Ino gne hifandraisanao aminao, ry Jesosy avy agny Nazareta? Avy mba hamotiky anay me Anao? Lalanao hoe ia Anao- Gne Raiky Masin'Andriamanitry! "
35
Jesosy nizaka mafy e demony, ka nagnano hoe: "Misìgna sady mialà ao amin'azy!" Refa nagnatsipy e lelà ho lavo tategntegnandreo gne demony, da niala tao amin'azy, sady tsy nandratry an'azy akory.
36
Gaga be aby gn'olo agnaby, sady nanohy nikoragny gne momba an'izany. Nizaka indreo hoe: "Fa zaka akôgnaia lôtry izany?" Bekoiny ame fahefagny izy ame hery gne fagnahy maloto da mijotso."
37
Noho izany da nanomboky niparitaky nagneragny gne faritry magnodidigny gne lazany.
38
Da niala gne synagoga Jesosy sady niditry tao andragnon'i Simona. Sady nampijalian'e tazo mahery gne rafozam-bavin'i Simona, sady nengavy tamin'azy ho an'azy indreo.
39
Da nijoro talohany Izy sady nizaka mafy gne tazo da niala tamin'azy izany. Avy hatrany izy da nitsangagny sady nanomboky nanompo an'azy indreo.
40
Refa niletiky gne masoandro, da ninday gn'olo agnaby nararin'e aretigny maro samihafa teo am'i Jesosy gn'olo. Nametra-tagna tame tsiraidraiky tamindreo Izy ka nagnasitragny andreo.
41
Ireo demony avakoa da niala tao ame maro tamindreo, nitoreo mafy sady nizaka hoe: "Anao gne Zanak'Andriamanitry!" Jesosy nizaka mafy gne demonia ka tsy namela andreo nizaka, satria lalandreo fa Izy gne Kristy.
42
Vao mandraigny be, da nandeha tagny ame toeragny mangingigny Izy. Fokon'olo maro be gne nitady an'Azy sady negame toeragny izay nisy an'Azy. mba tsy hiala eo amindreo.
43
Fa Izy nizaka tamindreo hoe: "Tsy maintsy mitory gne vaovao mahafaly momba gne fanjakan'Andriamanitry ame tanàgny maro hafa avakoa Iao, satria izany gne antony nagnirahagny Anà tety.
44
Avy eo Izy da nanohy nitory tao ame synagoga magneragny an'i Jodia.
Chapter 5
1
Da izao gne nitranga, raha nitangorogny nagnodidigny an'i Jesosy e olo da niteno gne zakan'Andriamanitry, da nitsangagny tamoron'gne farihin'i Genesareta Izy.
2
Nahita laka kidy roy nijanogny tamoron'e tarihy Izy. Efa nivoky tao gne mpagnarato da nanasa gne haratony.
3
Niditry tame raiky tame laka Jesosy, izay an'i Simona, da nagnataky anazy mba handefa izany ame rano lavidavitry gne tanety. Aveo da nidoboky Izy da nampianatry gne olo ta ivelan'e laka
4
Rehefa nijanogny nizaka Izy, da nizaka tamin'i Simona Izy hoe: "Hoento ame lalaigny kokoa gne laka da halatsay gne haratonareo mba ahazaonareo laokandrano."
5
Simona namaly Anazy da nizaka hoe: "Tompo o, efa niasa gne ariva manotolo iay, fa tsy nahazo ndre ino ndre ino, fa nohn'gne zakanao, da ho halatsako gne harato."
6
Refa nanindreo izany, da navoangogny laokandrano maro be indreo, da triatry gne haraton-dreo.
7
Da nagnano fietsiky tame namany izay tagnaty laka raiky hafa indreo fa tokony hoavy hagnampy andreo. Da tonga indreo da nameno e laka roy, da nanomboky nilentiky indreo.
8
Da Simona Petera, raha vo nahita anizany, da nandadilady tame tongotr'i Jesosy, nizaka hoe: "Mela amina, fa lela mpanota iao."
9
Da gaga izy, sy gne marobe niaraky taminazy, nohon'gne haben'e laokandrano izy azon-dreo.
10
Tagnatin'izany Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay mpiara miasa amin'i Simona. Jesosy nizaka tamin'i Simona hoe: "Ka mataotry, fa manomboky amizao da hagnarato olo anao."
11
Rehefa netin-dreo tamboitry gne lakan-dreo, da nagnapetraky e ra marobe indreo da nagnaraky Anazy.
12
Da niboky izao raha mbola tame raiky tamin'gne tanagny Izy, da nisy lela boka teo. Raha naita an'i Jesosy izy, da niankohoky Taminazy da niangavy anazy , nagnano hoe: "Tompo, raha mazoto anao, da hafaky hagnadio ana."
13
Da nagnatatry e tagnany Jesosy da nikasiky anazy, nizaka hoe: "Mazoto iao. Madiova." Teo noho eo da hafaky taminazy gne habokagny.
14
Noraragny izy mba tsy hizaka ndre amin'ia ndre amin'ia, fa nizakaigny taminazy hoe: "Zory gne lalanao, moboa ame mpisorogny da magnomeza sorogny ho ane fagnadiovagny anao, araky gne nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroagny vavolombelogny amindreo."
15
F'izy gne tatitry momba Anazy da niparitaky kokoa aza, da fokonolo maro be gne niaraky tonga mba hiteno Anazy nampianatry sady mba ho sitragny ame aretindreo.
16
F'izy matetiky Izy da niala nandea ame tany foagny da nivavaky.
17
Da tame andro raiky tamin'gne andro nampianariny, da nisy Fariseo sy mpampianatry lalagny nipetraky teo izay avy ame tanagny samby hafa ame faritry Galilia sy Jodia, sady avakoa avy ame tanagnin'i Jerosarela. Gne herin'e Tompo e taminazy mba hagnasitragnany.
18
Da nisy lela sasany tonga, nitondra lela raiky izay voan'e paralisisa tame fandriany, da indreo nitady fomba hitiondragny anazy agnatiny mba hametragny anazy ho anoloan'i Jesosy.
19
Tsy naita fomba hampidiragny anazy tagnatiny nohon'gne fokonolo, noho izany da nandea ame tampo-trano indreo da nampidigny e fandrian'e lela avy an-tafo tragno, tame fandriagny, tategnategnan'olo, tatolan'i Jesosy.
20
Refa naita gne finoany indreo, da hoy Jesosy hoe: "Ralela, voavela gne helokinao."
21
Nanomboky nagnotany gne mpanora-dalagny sy gne Fariseo' da nizaka hoe: "Ia me ity mizaka ratsy ity? Ia gne hafaky mamela fahotagny afa-tsy Andriamanitry raiky avao?
22
Da Jesosy, nahafantatry gne noeritreretindreo, namaly da nizaka indreo hoe: "Nagnino anareo e magnotany anizany am-ponareo?
23
Ino gne mora zakaigny: 'Voavela gnelokinao' sa e mizaka hoe: 'Mitsangana da mandiana?'
24
Nefa mba hahafantaranareo fa e Zanak'olo da manam-pahefagny hamela heloky an-tany etoa, da zakaiko aminao, mitsangana, ento gne fandrianao da mandiana an-dragnoanao."
25
Teo no eo da nitsangagny teo aloandreo izy da nangala fandriagny izay natoriany. Aveo da niala nandea andragnony izy, nagnome voninahitra an'Andriamanitry.
26
Gaga gne marobe da nagnome voninahitry an'Andriamanitry indreo. Feno tahotry indreo, nizaka hoe: "Nahita ra nahagaga isika androany."
27
Tafaran'gne niboan'io ra io, da niala teo i Jesosy da nahita mpamory hetra raiky izay nangiagny hoe Levy nipetraky teo ame tragno lain'e mpamory hetra. Nizaka taminazy Izy hoe: "Magnara Ana."
28
Da nitsangagny i Levy da nagnaraky Anazy, da nagnapetraky gne ra marobe.
29
Da nagnano fanasana zakabe tan-dragnony ho an'i Jesosy i Levy. Maro gne mpamory hetra sy gne olo hafa izay nipetrakytame latabatry da nihinagny niaraky tamidreo.
30
F'izy gne Fariseo sy gne mpanora-dalagny da nitaraigny tamindreo mpianatry , nizaka hoe: "Nagnino anao gne mihinagny sy misotro miaraky ame mpamory hetry sy olo mpanota hafa?"
31
Namaly anazy Jesosy hoe: "Tsy mila dokotera eolo salama; fa gne marary avao.
32
Tsy tonga hangaiky e olo-marina ho amin'e fibebahagny Iao, fa hangaiky e mpanota ho ame fibebahagny."
33
Da hoy indreo taminazy hoe: "Gne mpianatr'i Jaona da matetiky mifady hanigny sy mivavaky, da gne mpianatrin'gne Fariseo da magnano ako izany koa. F'izy e mpianatrinaoda mihinagny sy misotro."
34
Jesosy nizaka andreo hoe: "Misy olo mavita mampifady hanigny e havan'gne mpampakatry raha toa ka mbola mipetraky amindreo gne mpampakatry me?
35
Da hoavy gne andro izay hangalagny e mpampakatry amindreo, da aminizany andro izany da hifady hanigny indreo."
36
Da nagnao fagnoharagny tamindreo koa Jesosy. "Tsy misy olo mandrovitry tapa-damba avy ame lamba vaovao da mampiasa izany mba hagnamboarany e lamba tonta. Raha magnano anizany, da hanimba gne lamba vaovao, da gne tapa-damba avy ame lamba vaovao da tsy hifagnaraky ame lamba tonta.
37
Tsy misy olo magnisy dovay vaovao agnatine siny hoditry tonta. Raha magnano anizany izy, da hampitriatry e hoditry gne dovay vaovao, sady da ho raraky gne dovay, da ho simba gne siny hoditry.
38
Fa gne dovay vaovao da tsy maintsy anigny agnatin'e siny hoditry vaovao.
39
Tsy misy olo avy nisotro e dovay taloha ka hagniry e vaovao, fa hoy izy hoe: 'Gne taloa e tsara."'
Chapter 6
1
Sady tamin'e Sabata da nandeha negnà an-tanimbary Jesosy sady gne mpianatry nangalaky gne solohim-bary, nagnakosiky izany tamin'e tagnan-dreo sady nihinagny e voa.
2
Fa gne sanany tamindreo Fariseo da nizaka hoe: "Nagnino anareo e magnano raha tsy Ara-dalàgny gne magnano anazy amign'andro Sabata?"
3
Namaly andreo, Jesosy nizaka hoe: "Mbola tsy novakinareo me izay nanan'i Davida refa mosaregny izy, izy ame lelà niaraky taminazy?
4
Nandeha negnà an-dragnon'Andriamanitry izy, sady nandray e mofon'e fagnatrehagny sy nihinagny gn'ampahany tamizany, sady nomegny ampahany koa gne lelà izay niaraky taminazy mba hihinagny, ndre da gne mpisorogny avao azaky araky gne lalàgny râ hihinagny izany."
5
Avy eo Izy nizaka tamindreo hoe: "Gne Zanak'Olo da Tompon'e Sabata."
6
Da tame Sabata hafa da nandeha tamin'e synagoga Izy da nampianatry e fonkonolo tao. Nisy lelà raiky maty tagna ankavanigny tao.
7
Nagnety akaiky Anazy tsara gne mpanora-dalàgny izy ame Fariseo mba hahita râ hagnasitragnagn'olo ame Sabata Izy, mba afahan-dreo mahita gnantony hagnambaragny Anazy.
8
F'izy fantatriny izay tao an-tsain'ireo sady nizaka tamin'e lelà izay maty tagna Izy hoe: "Mitsangana, sady mandehana etoa ategnategnan'olo agnaby etoa." Da nitsangagny e lelà sady nitsangagny teo.
9
Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Magnontany anareo iao, ara-dalàgny ame Sabata me gne fagnamboaragny e tsara sa gne fagnamboaragny e ratsy, e magnavotry gn'aigny sa gne mamotiky anazy?"
10
Sady nagnety e magnodidigny anazy agnaby Izy da nizaka tamin'e lelà hoe: " Ataro e tagnanao." Nagnano izany Izy, sady nahafaky e tagnany.
11
Nefa feno fahavigniragny indreo sady nifampikoragny momba izay mety ho hataon-dreo amin'i Jesosy.
12
Tamin'izany andro zany da nandeha negnà an-tendrombohitry Izy mba hivavaky. Notohizany nandritry gn'aligny manontolo e fivavahagny tamin'Andriamanitry.
13
Refa avy gn'andro, nangahiky gne mpianatriny ho eo aminazy Izy, sady nifidy roy amby folo tamin'ireo Izy, izay nantsovagny avakoa hoe Apostoly.
14
Gn'agnaran'gne Apostoly da i Simona (izy izay nantsovagny avakoa hoe Petera) sady gne rahalàny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo,
15
Matio, Tomasy, Jakoba zanaky lahin'i Alfeo, Simona izay nantsovagny hoe Zelota,
16
Jodasy zanak'i Jakoba, sady Jodasy Iskariota, izay tonga mpamadiky.
17
Avy eo Jesosy nidigny e tendrombohitry niaraky tamindreo da nitsangagny tame tany marigny niaraky tamin'e mpianatriny maro izy ame fonkonolo maro avy agny Jodia sy Jerosalema sady sisin-tanin'e Tyro sy Sidona.
18
Avy indreo mba hiteno Anazy sady mba ho sitragnigny amign'aretindreo. Nahafaky avakoa gne fonkonolo izay korontanin'e fagnahy maloto.
19
Gn'olo agnaby tamin'gne fonkonolo da niezaky gne hikasiky Anazy fehizay satria nibôky avy taminazy gne hery magnasitragny, sady nahafaky tokôtry izy agnaby.
20
Da nagnety e mpianatriny Izy, sady nizaka hoe: "Sambatry anareo izay sahiragny, fa anareo e fanjakan'Andriamanitry.
21
Sambatry anareo izay mosaregny amizao, fa ho voky anareo. Sambatry anareo izay mitomagny amizao, fa hiomehy anareo.
22
Sambatry anareo refa malaigny anareo gn'olo sady refa ahilik'indreo sy haratsin'indreo anareo, nohon'e ame Zanak'Olo.
23
Mifalia amin'izany andro zany sady mibitaha an-kafaliagny, satria azo antoky fa hahazo valisoa zakabe agny an-dagnitry anareo, fa mitovy amin'izany gne nindesan'e razan-dreo an'gne mpaminagny.
24
Ra loza ho anareo izay manan-karegny, fa efa azonareo izay mahafa-po anareo.
25
Loza ho anareo izay voky amizao, fa mbola ho mosaregny anareo agny afara agny. Loza ho anareo izay mihomehy amizao, fa hisaogny sy hitomagny anareo agny afara agny.
26
Loza ho anareo, refa magnambara tsara momba anareo gn'olo agnaby, fa mitovy amin'izany e nanin'e razan-dreo tamin'ireo mpaminagny sandoky.
27
Fa magnambara aminareo izay miteny Iao, tiavo gne fahavalonareo sady magnamboara e tsara amin'izay malaigny anareo.
28
Tahio izay magnozigny anareo sady mivavaha ho an'ireo izay magnano tsisy dikany anareo.
29
Râ manakapoky e fifinao ilany, da omeo anazy koa gn'ilany. Râ misy olo mangalaky e lambanao, ka mitagny ndre da gn'ankanjonao azaky.
30
Omeo izay rehetra mangataky aminao. Râ misy olo mangalaky e raha izay anao, ka mangataky gne hameregnagny izany aminao.
31
Da akô izay tianao hanin'olo aminao, da tokony haninao amindreo avakoa.
32
Râ izay olo tia anao avao e tiavinao, ino gne soa hazonao amin'izany? Fa gne mpanota azaky da tia an'izay tia anazy avakoa.
33
Râ amin'izany olo magnano soa anao avao anao magnano soa, ino gne soa ho azonao amin'izany? Fa ndre gne mpanota azaky da magnano akô izany.
34
Râ tsy mampindragny afa-tsy amin'izany olo diasagny fa agnapody izany aminao avao anao, ino gne soa ho azonao amin'izany? Fa ndre da mpanota azaky mampindragny e mpanota, mba hahazoagny akô izany koa.
35
Fa tiavo e fahavalonareo sady magnamboara e tsara ho anazy avao. Mampindrama da ka mandigny valiny sady ho zakabe gne valisoanareo sady ho zanaky e tena Avo anareo, fa Izy da tena tsara fagnahy amin'izay tsy misaotry izy amign'olo ratsy fagnahy.
36
Managnà famindram-po, akô e Rainareo mpamindra fo.
37
Ka mitsara, sady tsy ho tsaraigny anareo. Ka magnameloky, sady tsy ho meloky anareo. Mamelà gne hafa, sady ho avela anareo.
38
Magnomeza, da omegny anareo izany. Fahafohizagny be - izay atafotafo, miara-voahontsagny sady mitobaky - gne hararaky eo an-kameranao. Araky gne famaharanareo, gne hamaharagny anareo akô izany avakoa."
39
Avy eo Izy nagnano fagnoheragny tamindreo koa. "Kaiky gn'olo jamba me afaky mitariky olo jamba? Râ magnano izany izy, da mety hilatsaky agny ame kiady izy roy, sa tsia?
40
Gne mpianatry raiky da tsy zakabe noho gne Mpampianatriny, fa izay agnaby nahatanteraky e fiofanagny da hitovy amin'e Mpampianatriny.
41
Fa nagnino anao magnety e sombin-kakazo kidy izay ao agnaty mason'e rahalànao, f'izy tsy mahita gne vatan-kakazo ao agnaty masonao?
42
Akognaià e izakananao e rahalànao hoe: 'Ry ralà, mamela anà hangalaky e sombin-kakazo eo ame masonao eo io,' refa tsy hitanao esana e vatan-kakazo eo amin'e masonao? Ry mpiatsaram-belatsihy! Alay eo amin'e masonao heky gne vatan-kakazo, avy eo da hahita tsara anao da afaky hangalaky e sombin-kakazo eo amin'e mason'e rahalànao.
43
Fa tsy misy kakazo tsara hamokatry voankazo lo, ndre hoe kakazo lo hamokatry voankazo tsara.
44
Fa e kakazo tsikiraikiraiky da fantatry amin'e karazam-boankazo izay vokariny. Fa tsy afaky gne hitohy aviavy amin'e fatsy gn'olo, ndre hangalaky voaloboky ame hazona voaroy.
45
Gn'olo tsara mamokatry izay tsara avy ame harenasoan'e fony, sady gn'olo ratsy mamokatry izay avy ame haren-dratsin'e fony. Fa izay aloaky e fony gne zakain'e gavany.
46
Fa magnino anareo, e mangahiky Anà hoe: 'Tompo, Tompo,' kanefa anareo tsy magneky izay raha zakaiko?
47
Gn'olo agnaby magnontany Anà sy mahare e zakako sady magneky izany, da ho zakaiko anareo hoe akô ino izy.
48
Da akô gn'olo izay nanangagny tragno izy, izay nandavaky laligny tame tany sady nagnorigny e fototry gne tragno tambony vatolampy. Refa avy e tondra-drano, da nandriaky nanohitry izany tragno zany e rano be, fa tsy nampihetsiky anazy, satria tsara orina ilay izy.
49
Sady izay olo mahare e zakako nefa tsy magneky izany, da mitovy amign'olo izay nagnorigny tragno tambonin'e tany da tsy nagnisy fototry. Refa nandriaky namely io tragno io e rano be, tonga da rebaky izany, sady rava tanteraky izany tragno izany."
Chapter 7
1
Refa nahavita nizaka gne raha agnaby teo agnatrehan'e fokon'olo Jesosy, da niditry tao Kapernaomy Izy.
2
Da nisy kapiteny raiky nanagny mpanompo izay tena najainy, sady narary da efa akeky ho faty izy.
3
Refa naharegny gne momba an'i Jesosy e kapiteny, da nagniraky oloben'e Jiosy ho agny amin'Azy izy, hangataky an'Azy mba ho avy sady hagnasitragny gne mpanompony.
4
Sady refa avy teo am'i Jesosy indreo, da nangataky mafy tamin'Azy, nizaka hoe: "Mendriky gne hagnamboaranao an'izany ho an'azy izy,
5
satria tiany gne firenenay, sady izy e nagnamboatry gne Synagoga ho anay."
6
Ka da nanohy gne lalagniny niaraky tamindreo Jesosy. Fa raha mbola tsy lavitry gne tragno Izy, da nandefa namagny e kapiteny nizaka tamin'Azy hoe: "Tompo o, ka manahiragny tegnanao Anao, satria tsy mendriky hidiranao ao ambanin'e tafotragnoko Iao.
7
Noho izany da tsy nandiniky gne tegnako ho mendriky ho eo aminao iao, fa mizakà zaka raiky avao da ho sitragny gne mpanompoko.
8
Satria iao koa da lelà izay ambany fahefagny, managny miaramila ao ambaniko koa. Hoy iao am'ity raiky ity hoe: 'Mandehana,' da mandeha izy, sady ame raiky hafa: 'avia,' da avy izy, sady ame mpanopoko hoe: 'Amboary ity,' da amboariny izany."
9
Refa naharegny an'izany Jesosy, da gaga tamin'azy Izy, sady nitodiky tame fokon'olo izay nagnaraky an'Azy da nagnano hoe: "Zakaiko aminareo, fa ndre da tagny Israely aza tsy nahitako finoagny akô izao."
10
Refa niverigny tandragno gne nirahagny, da nahita fa salama tsara gne mpanompo.
11
Tafaran'izany kidikidy, da nandeha tagny ame tanàgny antsovagny hoe Naina i Jesosy, sady niaraky tamin'Azy gne mpianatriny izy am'ireo fokon'olo maro be.
12
Raha nagnakeky gne vavahadin'e tanàgny Izy, indro, nisy lelà raiky efa maty nindesigny nijotso, zanaky lahy tokagnin'i endriny (izay mpivantotry), sady fokon'olo maro be avy ao ame tanàgny gne niaraky tamin'azy.
13
Nony nahita an'azy i Tompo, da nafiraigny tanteraky an'azy da nagnano tamin'azy hoe: "Ka mitomagny."
14
Avy eo da niakatry Izy sady nikasiky gne vata izay nitondrandreo gne razagny, sady nijanogny ireo nitondra an'izany. Hoy Izy hoe: "E koraolahy, hoy Iao aminao, miarena."
15
Da niarigny gne maty ka nanomboky nizaka, sady Jesosy nagnome an'azy an'iendriny.
16
Nandresy an'azy agnaby gne tahotry, da nanohy nidera an'Andriamanitry fezay indreo, nizaka hoe: "Mpaminany zakabe gne natsangagny eto amitsika" sady "Andriamanitry nitsinjo gn'olony."
17
Ity vaovao momba an'i Jesosy ity da niparitaky nagneragny an'i Jodia izy am'ireo faritry magnodidigny agnaby.
18
Gne mpianatrin'i Jaona nizaka tamin'azy gne momba an'ireo raha ireo.
19
Da nangaiky roy tame mpianatriny i Jaona ka nagniraky andreo ho agny am'i Tompo mba hizaka hoe: "Anao me e ho avy, sa tokony mbola hagnety hafa iay?"
20
Sady refa nagnatogny akeky an'i Jesosy indreo, da hoy ireo lelà hoe: "Jaona mpagnano batisa gne nagniraky anay aty aminao hagnotany hoe: 'Anao me e ho avy, sa tokony mbola hagnety hafa iay?'"
21
Sady tam'izany lera izany da nahasitragny olo maro tamign'aretigny izy ame fahoriagny sady fanaintanagny avy ame fagnahy ratsy Izy, da olo jamba maro gne nampahitàny.
22
Jesosy namaly ka nizaka tamindreo hoe: "Refa avy nandeha tame lalagninareo anareo, da zakay am'i Jaona gne hitanareo ame regninareo. Nahita gne jamba, nandeha gne malemy, nadio gne boka, naharegny gne maregnigny, nitsangagny velogny gne maty, sady nitoriagny filazantsara gn'olo agnatin'e fahampiagny.
23
Sambatry gn'olo izay tsy mitsahatry gne mino Anà nohon'e ataoko."
24
Da nony lasa gne irak'i Jaona, da nanomboky nizaka tame fokon'olo Jesosy gne momba an'i Jaona hoe: "Hagnety ino gne nijotsoanareo tagny ame tany fôgny? Volotra nahetsiketsik'e rivotry?
25
Fa hagnety ino gne nijotsoanareo tagny? Lelà misikigny tsara ve? Hiteo, ireo izay misikigny akanjo lafo vidy izy am'ireo miaigny ao ame fiainagny tsara da ao ame lapan'e mpanjaka.
26
Fa hagnety ino gne nijotsoanareo tagny? Mpaminany ve? Eka, hoy Iao aminareo, sady mihôtry lavitry nohon'e mpaminany.
27
Izy gne voasoratry hoe: 'Indro, alefako meloha anao gne mpinday gn'afatriko, izay hagnomagny gne làlanao meloha anao.'
28
Zakaiko aminareo, fa aminareo izay naterak'e viavy da tsisy zakabe noho i Jaona. Nefa izay kidy indrindra ao ame fanjakan'Andriamanitry da zakabe noho izy."
29
(Refa nagnabôky an'izany gn'olo agnaby, agnisan'izany gne mpamory hetra, da nagnambara fa marigny Andriamanitry, satria nanigny batisa tame batisan'i Jaona indreo.
30
Fa gne Fariseo izy am'ireo mpahay lalàgna Jiosy kosa nandà gne tanjogn'Andriamanitry ho an'e tegnandreo, satria tsy nanin'i Jaona batisa.)
31
Ame ino, izany, gn'ahafahako mampitovy gn'olo am'ity taranaky ity? Akô gn'ino me indreo?
32
Akô gne zaza mihira a bazary indreo, izay mipetraky da mifagnatso sady mizaka hoe: 'Nitsoky sodigny ho anareo da tsy nadihy anareo. Nagnano hira fisaonagny ho anareo iay, da tsy nitomagny anareo.'
33
Fa Jaona mpagnano batisa avy tsy nihinagny mofo sady tsy nihinagny divay, da hoy anareo hoe: 'Misy demonia izy.'
34
Gne Zanak'olo avy nihinagny sady nisotro, da hoy anareo hoe: 'Hiteo, fa tenda-kanigny sady mpisotro Izy, naman'e mpamory hetra izy ame mpanota!"
35
Fa gne fahendregny da voamarigny ame zanany agnaby."
36
Sady gne raiky tame Fariseo nagnasa an'i Jesosy hihinagny miaraky tamin'azy. Ka rehefa avy niditry tandragnon'e Fariseho Jesosy, da nidoboky hihinagny teo ame latabatry. Igny, nisy viavy tantanàgny izay mpanota.
37
Da refa nahatsikaritry izy fa nipetraky tame latabatry tandragnon'e Fariseo Izy, da ninday tavoara alabastara feno menaky magnitry izy.
38
Da raha nitsangagny tafarany takekin'e tombokiny izy, da nitomagny, ka nanomboky nandegny gne tombokiny tame ranomasony, ka da nofafany tame volony ireo sady nagnoroky gne tombokiny sady nagnosotry an'ireo tame menaky magnitry.
39
Refa nahita an'izany e Fariseo nagnasa an'i Jesosy, da nieritreritry, nizaka hoe: "Raha mpaminany tokôtry io lelà io, da tokony ho lalany hoe viavy magnano akôgnaia io mikitiky an'Azy io, fa mpanota io."
40
Jesosy namaly ka nizaka tamin'azy hoe: "Simona, misy raha ho zakaiko aminao." Hoy izy hoe: "Zakay izany, mpampianatry ô!"
41
Nizaka i Jesosy hoe: "Nisy mpampindram-bola nanagny mpitrosa roy lahy. Gne raiky da tokony andoa diman-jato denaria, gne raiky dimam-polo.
42
Refa tsy afaky nagnefa an'izany tamin'azy indreo, da samy navelany izy roy lahy. Noho izany, ia amin'izy roy lahy gne ho tia an'azy kokoa? "
43
Simona namaly an'Azy ka nizaka hoe: "Heveriko fa gne namoizany be." Da hoy i Jesosy tamin'azy hoe: "Marigny gne fitsaranao."
44
Da i Jesosy nitodiky tam'igny viavy igny ka nizaka tamin'i Simona hoe: "Hitanao io viavy io. Niditry tato andragnonao Iao. Tsy nagnome rano hanasagny gne tomboko anao fa izy nahalegny gne tomboko tame ranomasony sady namafa an'azy tame volony.
45
Tsy nagnoroky Anà anao, fa hatr'izay nidirako tato da tsy nijanogny nagnoroky gne tomboko izy.
46
Tsy nagnosotry menaky gne lohako anao, fa izy nagnosotry gne tomboko tame menaky magnitry.
47
Noho izany da mizaka aminao Iao fa, gne fahotany, izay maro, da voavela_ satria izy be fititavagny. Fa izay navela kidikidy, da tia kidikidy
48
Da hoy Izy tamin'azy hoe: "Vovela gne fahotanao."
49
Ireo niara-nipetraky nihinagny teo da nanomboky nifampikoragny teo amindreo hoe: "Ia moa ity gne mamela ireo heloky?"
50
Avy eo hoy i Jesosy tam'i raviavy hoe: "Gne finoanao gne nahavonjy anao. Mandehana am-piadanagny."
Chapter 8
1
Da tafaran'izany da nanomboky nandeha nitaty tanàgny izy ame vohitry samihafa Jesosy, nitory sy nagnambara gne filazantsara mahakasiky gne fanjakan'Andriamanitry. Niaraky tamin'Azy gne roy ambifolo lahy,
2
da gne viavy sasany izay sitragny tame fagnahy ratsy izy ame gn'aretigny: Maria izay natsovagny hoe Magdalena, izay efa namoahagny demonia fito;
3
Johana, vadin'i Koza, izay mpitagny raharahan'i Heroda, da i Sosana; izy am'ireo hafa koa, izay, tame fanagnandreo, da nagnome izay nilaindreo.
4
Raha mbola nisy fokon'olo maro nilagnona, da avy nagnatogny an'Azy ireo olo isak'e tanàgny, Da nagnano fagnoharagny izy hoe:
5
"Nisy mpamboly nijotso mba hamafy gne voany. Raha izy namafy igny, da voafafy tegny amoron-dalagny gne sasany sady da vôhitsakitsaky izany, da nohanin'e vorogny.
6
Gne sasany kosa vôfafy tegny ame vatolampy, ka raha vô nitsiry, da nalazo izany, satria tsy nisy hamandoagny.
7
Da gne sasany da vôfafy teo ame fantsy, da nitsiry tamin'azy gne fantsy ka nagnageja an'izany.
8
Gne sasany vôfafy tegny ame tany lonaky da namoa vokatry izay tsara lavitry avo zato heny." Tafaran'i Jesosy nizaka an'io raha io, da nagnatso mafy Izy hoe: "Izay managny tadigny hitenomagny, aoky izy hiteno."
9
Nagnotany an'Azy gne mpianatriny gn'ame tian'izany fagnoharagny izany hambara.
10
Hoy Izy hoe: "Gne fahalalagny gne raha mifinin'e fanjakan'Andriamanitry da nomegny anareo, fa ho an'e hafa da mizaka ame fagnoharagny Iao, mba tsy ahita indreo ndre da magnety aza, sady tsy ahalala ndre da maharegny aza."
11
Da izao gne dikan'e fagnoharagny: gne voa da gne zakan'Andriamanitry.
12
Gne vôfafy tegny ame sisindalagny da gne maharegny, f'izy avy eo da avy gne devoly ka mangala gne zaka tao ampony, mba tsy hino ka ho voavonjy indreo.
13
Da gne teo ame vatolampy kosa da ireo izay, maharegny gne zaka, da mandray an'izany ame fifaliagny. Nefa tsy misy vahany ireo; tselatsela fotsiny gne finoandreo, da ame fotoagny fitsapagny da lavo indreo.
14
Gne vôfafy tame fantsy da gne olo maharegny gne zaka, fa refa mandeha ame lalagniny indreo, da vofehin'e fiahiagny izy ame gn'aregny da gne fahafinaretagny amizao giainagny izao, ka tsy antitry gne voany.
15
Fa gne vôfafy tame tany tsara, da gne, naharegny gne zaka tame fo marigny sy tsara, sady indreo mitagny an'azy tsara ka mamokatry am-paharetagny.
16
Sady, tsisy olo, refa nampirehitry jiro, ka mandrakotry an'azy ame rakotriny na mametraky an'izany ao ambany fandriagny. F'izy, mametraky an'azy eo ame fagnamboaran-jiro, mba ho hitan'olo agnaby izay miditry gne hazavagny.
17
Satria tsisy takogny izay tsy ho lala sady hibôky eo ame hazavagny.
18
Da mitenoma tsara, izay managny, da mbola homegny bebe kokoa, fa ho an'izay tsy managny kosa, na izay heveriny hanagnany aza da alaigny amin'azy."
19
Avy eo i endriny izy ame rahalàny nagnatogny an'Azy, nefa tsy afaky nagnakeky an'Azy nohon'e fokon'olo.
20
Nisy nizaka tamin'Azy hoe: "Iendrinao izy ame rahalànao da mijoro ao ambadiky, ta ahita anao."
21
Fa i Jesosy namaly sady nizaka tamindreo hoe: "Iendriko izy ame rahalàko da ireo izay miteno gne zakan'Andriamanitry sady magnano an'izany."
22
Sady indraiky andro da nandeha andakagny Izy niaraky tame mpianatriny, sady Izy nizaka tamindreo hoe: "Andeha atsika ho egny agnilan-drano." Da lasa indreo.
23
Fa raha nandeha igny indreo da azo tory Jesosy. Da nisy tafio-drivotry tonga teo ame farihy, da feno rano gne sambo kely, sady notadindomin-doza indreo.
24
Avy eo negn'amin'Azy ka namoha an'Azy gne mpianatr'i Jesosy, nagnano hoe: "Tompo o! Tompo o! Ho faty atsika!" Sady nifoha Izy ka nizaka mafy gne rivotry izy ame rano magnojagny, sady nitsahatry ireo, da nisy fitoniagny teo.
25
Sady nizaka tamindreo Izy hoe: "Aia gne finoanareo?" sady natahotry mafy indreo. Da natahotry gne sady gaga avakoa indreo, sady nifampagnotany hoe: "Ia lôtry zalà ty, ndre gne rivotry izy ame rano gne didiany, da magneky an'Azy indreo?"
26
Indreo da nandalo gne faritr'i Gerasena, izay tandrifin'e farihin'i Galilea.
27
Sady refa niakatry ho egny ame tany Jesosy, da nifanepaky tame lelà raiky avy tao an-tanagny izay nisy demonia. Da efa ela izy gne tsy nisikigny, sady tsy nipetraky tao an-dragno fa tegny ame fasagny.
28
Refa nahita an'i Jesosy izy, da nitoreo mafy ka nandongaliky talohany da nizaka tame feo mafy hoe: "Ino gn'iresanao aminà, ry Jesosy, zanak'Andriamanitry ambony indrindra o? Mengavy Anao iao, ka mampijaly anà."
29
Fa Jesosy nandidy gne fagnahy maloto hiala tao ame lelà. F'efa nandritry gne fotoagny maro gne namehy an'azy izany, ndre da nofatoragny tame rojo izy ame gadra vy da nambenagny aza izy, da nopotehiny gne rojony sady nentin'e demonia tagny ame tany fôgny izy.
30
Jesosy nanontagny an'azy hoe: "Ia gn'agnaranao? Da hoy hoe: "Legiona," fa maro gne demonia izay efa niditry tao amin'azy.
31
Indreo nengavy an'Azy fezay mba tsy handefa an'azy ho agny ame lavaky tsy hita farany.
32
Da nisy kisoa maromaro nihinagny teo akekin'e havoagny. Ka nengavy an'Azy gne demonia mba hamela an'azy Izy.
33
Da nijotso tao ame lelà gne demonia sady nifindra tao ame kisoa, da nivaringarigny tagny ame hatsagny negn'ame farihy gne kisoa ka maty.
34
Da nohon'e nahita gne raha nibôky gne mpiambigny gne kisoa, da nihazakazaky ka nizaka an'izany tao an-tanàgny izy ame tagny antonda.
35
Noho izany da nijotso gne mponigny tao an-tanàgny, sady nagnatogny an'i Jesosy indreo ka nahita gne lelà izay nialan'e demonia. Da nipetraky tame tombok'i Jesosy izy, nisikigny sady vory saigny; da raiki-tahotry indreo.
36
Avy eo ireo izay nahita an'izany nizaka andreo gne fomba nahasitragny gne lelà nanjakan'e demonia.
37
Da gne fokon'olo agnaby teo ame faritanin'i Gerasena da nangataky an'i Jesosy mba hiala eo amindreo, satria feno gne tahotry mafy indreo. Noho izany da nandeha an-dakagny Izy mba afahandreo mipody.
38
Gne lelà nialan'e demony da nengavy tamin'Azy mba hamela an'azy handeha hiaraky amin'Azy, fa i Jesosy nandefa an'azy, nizaka hoe:
39
"Mipodia agny andragnonao da magnanaova tatitry feno momba izay nataon'Andriamanitry taminao." Da nandeha tame lalagniny igny lelà igny, da nagnambara magneragny gne tanagny agnaby izay nataon'i Jesosy tamin'azy.
40
Sady refa niverigny Jesosy, da nandray an'azy gne fokon'olo, fa indreo da efa nandigny an'Azy.
41
Indro, nisy lelà raiky antsovagny hoe Jairo, izay raiky tame mpitariky tao ame Synagoga, nagnatogny sady nandongaliky teo antombok'i Jesosy, da nengavy an'azy mba ho agny andragnony,
42
satria gne zanany viavy tokagny, izay zazaviavy teo ame roy ambifolo taogny teo ho eo, da eo ambavahaognin'e fahafatesagny. Raha nandeha tame lalagniny i Jesosy, da niaraky nifanisisisiky nagnodidigny an'Azy gne fokon'olo maro be.
43
Da nisy viavy raiky teo izay efa nandeha rà nandritry gne roy ambifolo taogny sady efa nandany gne volany agnaby, [Fagnamarihagny: Ireo manam-pahezagny da mizarazara hevitry raha tokony ampidirigny etoa gne hoe: "Nandany gne volany agnaby (izy)] sady tsisy nahasitragny an'azy ndre ia ndre ia.
44
Da nandeha tafaran'i Jesosy izy ka nikasiky gne molotr'e lambany, da nisigny tampoky teo gne ràny.
45
Nizaka i Jesosy hoe: "Ia gne nikasiky Anà teo?" Refa nandà indreo agnaby, da hoy i Petera hoe: "Tompo, magnodidigny Anao aby gn'olo sady magnapitsa Anao."
46
Fa Jesosy nizaka hoe: "Nisy nikasiky Iao, satria lalako fa nisy hery niala taminà tatoa."
47
Refa hitan'igny viavy igny fa tsy takogny izy, da nangovitry izy sady nandongaliky teo amin'Azy. Nambarany tagnatrehan'olo gn'antony nikasihany an'Azy, izy ame fomba nahasitragny an'azy teo no eo.
48
Da nizaka tamin'azy Izy hoe: "Ry zanako vavy, gne finoanao gne nahasitragny anao. Mandehana ame fiadanagny."
49
Avy eo raha mbola nizaka izy, da nisy olo raiky ame tragnon'e mpitariky gne synagoga, nagnano hoe: "Maty gne zanakao viavy. Ka manahiragny gne mpampianatry sanaky."
50
Fa refa regnin'i Jesosy izany, da namaly an'i Jairo Izy hoe: "Ka matahotry; minoa fotsiny avao, da ho sitragny izy."
51
Refa nandeha an-dragno Izy, da tsy navelany ndre da olo raiky aza hiara-hiditry amin'Azy, hafa tsy i Petera da i Jaona da i Jakoba, da gne i aban'e zaza izy am'i endriny.
52
Sady gn'olo agnaby da nisaogny sady nitomagny an'azy,
53
Fa nizaka Izy hoe: "Ka mitomagny koa, tsy maty izy fa matory." Da nihomehy an'Azy indreo, satria lalany fa maty io zazaviavy io
54
Fa noresiny tame tagna izy ka nagnatso mafy, nizaka hoe: "Zanako, mitsangàna!"
55
Da niverigny gne fagnahiny, ka niharigny teo no eo izy. Sady nibeko andreo Izy mba hagnome hanigny ho an'azy.
56
Da gaga iabany amendriny, fa Izy kosa nandrara andreo mba tsy hizaka ndre am'ia ndre ia gne raha nibôky.
Chapter 9
1
Nagnatso gne roy ambifolo lahy Izy sady nagnome andreo gne hery sady fahefagny ame demonia agnaby sady hahasitragny gn'aretigny.
2
Nalefany indreo hitory gne fanjakan'Andriamanitry izy ame hagnasitragny gne marary.
3
Hoy Izy tamindreo hoe: "Ka minday ndre ino ndre ino ame dianareo _ tsisy angira, tsisy kitapom-batsy, tsisy mofo, tsisy vola, sady tsisy akanjo fagnapiny.
4
Izay tragno idiranareo, da mijanogna ao mandra-pelanareo.
5
Ndre aia ndre aia tsy handresandreo anareo, refa miala an'izany tanàgny izany anareo, da popozy hiala ame tombokareo gne vovoky mba ho vavolombelogny anoheragny andreo."
6
Avy eo da lasa indreo sady namakivaky gne tanàgny, nitory gne filazantsara sady nagnasitragny tame nandehanandreo tegny aby.
7
Da regnin'i Heroda mpanapaky aby ireo izay nibôky agnaby, sady very hevitry izy, satria nozakain'e sasany fa i Jaona mpagnano batisa gne nitsangagny tame maty,
8
sady i Elia koa hoe sasany gne nibôky, gne sasany kosa mizaka fa raiky tame mpaminany taloha gne nitsangagny tame maty.
9
Hoy Heroda hoe: "Iao gne nanapaky gne lohan'i Jaona, ka ho ia indraiky izany olo izany?" Sady niezaky gne ahita an'Azy izy.
10
Refa nipody gn'apostoly, da nitantara tame raha vitandreo. Avy eo nindesiny niaraky tamin'azy indreo, sady nandeha nitokagny ho ame tanàgny antsovagny hoe Betsaida.
11
Fa vao naharegny gne momba an'izany gne fokon'olo, da nagnaraky an'Azy. Da noraisiny indreo sady nambarany andreo gne momban'e fanjakan'Andriamanitry, sady nagnasitragny ireo izay nila fagnasitranagny Izy.
12
Da refa ho hariva gn'andro, da nagnatogny an'Azy ireo roy ambifolo lahy ka nizaka hoe: "Alefaso andeha gn'olo mba afahandreo mandeha agny ame tanàgny magnodidigny izy ame ambanivolo mba ahita fatoriagny izy ame hanigny, satria aty ame tany fôgny atsika."
13
Fa hoy Izy tamindreo hoe: "Omeonareo raha hohanigny indreo." Sady nizaka ireo hoe: "Tsy managny mihôtry gne mofo dimy da trondro roy iay_ raha tsy hoe mandeha iay sady mividy hanigny ho an'ireo olo agnaby ireo."
14
(Teo da nisy teo ame lelà dimy arivo teo ho eo). Da nizaka tame mpianatriny Izy hoe: "Apidoboy ho totokony dimampolo isan'isany indreo."
15
Da nanindreo izany, sady nampidoboky gn'olo.
16
Nandray gne mofo dimy izy ame trondro roy, da niandra negn'ame lagnitry Izy, nisaotry ireo sady nozarazarainy, da nomeny gne mpianatry izany mba homegny gn'olo.
17
Nihinagny izy agnaby ka voky, sady nalagno gne sisa tsy lany_ ka nisy potipotiny roy ambifolo harogny.
18
Sady refa nivavaky manokagny i Jesosy, da niaraky tamin'azy gne mpianatry. Da nagnotagny andreo Izy, nagnano hoe: "Anin'olo ho ia me Iao?"
19
Namaly indreo hoe: "Jaona mpagnano batisa. Fa gne sasany nizaka hoe i Elia, Da gne sasany mizaka fa nitsangagny tame maty gne raiky tame mpaminany taloha."
20
Da nizaka tamindreo Izy hoe: "Fa aninao ho ia me Iao?" Namaly Petera hoe: "E Kristin'Andriamanitry."
21
Fa noraràny mafy indreo tsy hizakazaka an'izany ndre amin'ia ndre ia,
22
nagnano hoe: "Gne zanak'olo da tsy maintsy hijaly ame raha maro sady tsy ho eken'e lohologny izy ame lohan'e mpisorogny da gne mpanora-dalàgny, ho vonoigny Izy sady ame gn'andro fahatelo da hatsangagny."
23
Da hoy Izy tamin'izy agnaby hoe: "Raha misy ta hagnaraky Anà, da tsy maintsy mandà gne tegnany izy sady minday gne hazofijaliany isan'andro da magnaraky Anà.
24
Ndre ia ndre ia te hagnavotry gn'ainy da hagnary an'izany, fa ndre ia ndre ia magnary gn'ainy nohon'e fitiavagny Anà da hagnavotry an'izany.
25
Ino gne tsara azon'olo ame fanagnagny an'izao tontolo izao, nefa magnary na mamotiky gn'ainy?
26
Fa ndre ia ndre ia megnatry Anà izy ame zakako, da ho megnatry an'azy koa gne Zanak'Olo refa avy ame voninahitriny izy ame voninahitrin'e Ray sady ireo anjely masigny Izy.
27
Fa zakaiko marigny aminareo, fa gne sasany amign'e izay mitsangagny eto da tsy hahita fahafatesagny mialohan'e ahitany gne fanjakan'Andriamanitry."
28
Da valo andro teo ho eo tafaran'e nizakan'i Jesosy ireo zaka ireo, da nindesiny niaraky tamin'Azy i Petera da i Jaona sady Jakoba ka niakatry gne tendrombohitry hivavaky.
29
Raha nivavaky igny Izy, da niova gne tarehiny, sady nivadiky fotsy manjelanjelatry gn'akanjony.
30
Indro, nisy roy lahy nikoragny tamin'Azy, Mosesy da i Elisa,
31
izay nibôky tame voninahitry mamirapiratry. Niresaky momba gne fialàny Izy, izay ho indesiny ho tanteraigny agny Jerosalema.
32
Sady i Petera izy am'ireo izay niaraky tamin'Azy da navesatrin'e torimaso, fa refa tena taitry tanteraky indreo, da nahita gne voninahitriny izy am'ireo lelà roy izay nitsangagny niaraky tamin'Azy.
33
Da refa niala nagnalavitry an'i Jesosy indreo, da hoy Petera tamin'Azy hoe: "Tompo, tsara amitsika gne mijanogny eto. Avelay iay hagnambôtry fialofagny telo, raiky ho Anao, raiky ho an'i Mosesy, da raiky ho an'i Elia." (Tsy lalany gne nozakainy.)
34
Teo ampizakagny an'izany izy, da nisy rahogny avy nandrakotry andreo, da natahotry indreo refa niditry tao ame rahogny.
35
Nisy feo nijotso avy tagny ame rahogny, nagnano hoe: "Ity gne zanako lahy, e Raiky izay voafidy; tenomy Izy."
36
Refa nizaka gne feo, da i Jesosy raiky gne hita teo. Da nisigny aby indreo sady tsy nizaka tamin'ia ndre ia tamin'izany andro izany gne momba an'izay hitandreo agnaby.
37
Da gn'andro magnaraky an'io, refa nidigny avy agny an-tendrombohitry indreo, da olo maro nifanepaky tamin'Azy.
38
Indro, nisy lelà raiky avy tao ame fokon'olo gne nitabataba mafy, nagnano hoe: "Ry mpampianatry o, magnano azafady aminao rô iao mba hagnety an'ity zanako lahy ity, fa zanako tokagny izy.
39
Hitanao, misy fagnahy mibeko an'azy da mitoreo tampoky izy; mampifanitogny an'azy izany ka mapamoaky ranivo fotsy gne vavany. Tsy miala amin'azy izany sady mandreraky an'azy tanteraky.
40
Nengavy mafy tame mpianatrao iao mba hangala an'izany fa tsy afakindreo."
41
Namaly i Jesosy ka nagnano hoe: "Anareo tsy mpino sady taranaky ratsy fitondran-tegna, mandrapahovia gne tsy maintsy hipetrako miaraky aminareo sady hiaretako miaraky aminareo? Hindeso aty gne zanakao lahy."
42
Refa nagnatogny igny zaza igny, da natsipin'e demonia tame tany izy sady nampifanitosintogny an'azy. Fa i Jesosy nizaka mafy gne fagnahy maloto sady nagnasitragny e zaza lahy, da namerigny an'azy tam'i abany.
43
Da avy eo da gaga aby izy agnaby nahita gne hazakaben'Andriamanitry. Raha tame raha agnaby naniny igny indreo, da hoy Izy tame mpianatriny hoe:
44
"Avelay ireto zaka ireto ho lasa laligny ao ame tadigninareo: gne Zanak'Olo da ho atolotry ho eo an-tagnan'olo."
45
Fa tsy azondreo izany fagnambaragny izany. Izany da nafiny tamindreo, noho izany da tsy azondreo gne dikan'izany, ary mbola natahotry indreo gne hagnotany gne momban'izany fagnambaragny izany.
46
Da avy eo da nisy fifamaliagny nanomboky teo amindreo gn'amizay ho lohany amindreo.
47
Fa Jesosy, nahalala gne fihevitry tagny ampondreo, da nangala zaza raiky da napetrakiny teo agnilany
48
sady nizaka tamindreo hoe: "Fa ndre ia mandray an'ity zaza ity ame gn'agnarako, da mandray Anà; Da ndre ia mandray Anà, da mandray gne raiky izay nagniraky Anà. fa gne kidy indrindra ao aminareo agnaby gne zakabe
49
Jaona namaly hoe: "Tompo o, nahita olo raiky iay nangala demonia tame gn'agnaranao da norarànay izy, satria izy tsy manara-dia miaraky aminay."
50
"Ka raràgny izy," hoy i Jesosy, "satria izay tsy manohitry anareo da miaraky aminareo."
51
Refa nagnakeky gn'andro ampiakaragny an'Azy, da nitodiky ho agny Jerosalema izy.
52
Nandefa mpinday hafatry Izy hialoha an'Azy, sady nandeha indreo ka niditry tao ame tanàgny Samaritana raiky mba hagnomagny gne raha agnaby ho an'Azy.
53
Fa gn'olo tao tsy nandray an'Azy, satria nitodiky ho agny Jerosalema Izy.
54
Refa nahita an'izany Jakoba izy am'i Jaona mpianatry, da hoy indreo hoe: "Tompoko, tianao me iay raha handefa afo milatsaky avy agny an-dagnitry mba hamotiky andreo?"
55
Fa nitodiky izy sady nizaka mafy tamindreo,
56
da lasa tagny ame tanàgny hafa indreo.
57
Da refa nandeha tegny an-dalagny indreo, da nisy olo raiky nagnano tamin'Azy hoe: "Hagnaraky Anao iao ndre ho aia ndre ho aia gn'andehananao."
58
Jesosy nizaka tamin'azy hoe: "Gn'amboadia manan-davaky, da gne vorogny managny gne songiny, fa gne Zanak'Olo tsy managny ndre gn'agnisiany gne lohany."
59
Da hoy Izy tame hafa hoe: "Magnaraha Anà." fa hoy izy hoe: "Tompoko avelay iao aloha handeha handevigny an'iabako."
60
Fa hoy izy tamin'Azy hoe: "Avelay gne maty handevigny gne maty ao amin'azy. fa ho anao, mandehana da mitoria agny lavitry agny sady hitaro gne fanjakan'Andriamanitry."
61
Da nisy olo hafa nagnano hoe: "Hagnaraky Anao iao, Tompo, fa avelay iao aloha hagnano veloma gn'agny andragnoko."
62
Jesosy namaly an'azy hoe: "Tsisy olo mitagny angady sady miherika ho ao ame fanjakan'Andriamanitry."
Chapter 10
1
Da tafaran'iregny raha iregny, da nifidy fitopolo lahy [Fagnamarihagny: Maro ame fandikagny taloha tsara indrindra gne mivaky hoe: "Fitopolo", fa gne sasany mivaky hoe: "roy ambifitopolo."] hafa gne Tompo, sady nandefa an'azi iregny tsiroidroy nialoha an'Azy tagny ame tanàgny agnaby izy ame toeragny izay efa handehanany.
2
Hoy Izy tamindreo hoe: "Be gne vokatry, fa tsy ampy gne mpiasa. Noho izany hangataho gne tompon'e vokatry mba handefa mpiasa mba ho egny ame vokatry.
3
Mandehana ame lalagninareo. Hiteo, alefako akô gne zanak'ondry eo antegnategnany gn'amboadia anareo.
4
Ka minday fipetraham-bola, ndre gne fipetran'entagny, na kapa, sady ka miarahaba ndre ia ndre ia egny andalagny.
5
Izay tragno hidiranareo, da zakay ao aloha hoe: 'Fiadanagny anie ho am'ity tragno ity!'
6
Raha misy olon'e fiadanagny ao, da hipetraky amin'azy gne fiadanagny izay zakainareo, fa raha tsisy kosa, da hiverigny aminareo izany.
7
Mipetraha ao amin'io tragno io avao, mihinana da mindranoma izay homendreo, fa gne mpiasa da mendriky gne karamany. Ka mifindrafindra tragno.
8
Fa am'izay tanàgny idiranareo, ka mandray anareo izy, da hano aby izay harosony anareo,
9
da sitragno gne marary izay ao. Zakay indreo hoe: 'Efa magnakeky anareo gne fanjakan'Andriamanitry.'
10
Na ovia na ovia anareo gne miditry tanàgny ka tsy mandray anareo indreo, da mijotsoa egny andalagny da zakay hoe:
11
'Fandre da gne vovokin'e tanàgninareo izay mirekitry ame tombokay aza da ho fafanay hanohitry anareo! Aoky ho lalanareo nefa izao: 'Efa magnakeky gne fanjakan'Andriamanitry.'
12
Zakaiko aminareo fa ame andron'e fitsaragny da ho azo leferigny kokoa gn'an'i Sodoma noho gn'an'izany tanàgny izany.
13
Loza ho anao, ry Korazina! Loza ho anao, ry Betsaida! Fa raha gn'asa zakabe izay nanigny tao aminao gne nanigny tagny Tyro izy am'i Sydona, d'efa ela indreo gne nibebaky, nipetraky tame lamba fisaonagny izy ame lakevo.
14
Fa ho azo leferigny kokoa gn'an'i Tyro izy am'i Sidona ame fitsaragny noho gn'aminareo.
15
Anao, ry Kapernaomy, mieritreritry me anao fa ho asandratry agny an-dagnitry? Tsia, hindesigny midigny agny ame Hadesy anao.
16
Izay miteno anareo da miteno Anà, da izay mandà anareo da mandà Anà, sady izay mandà Anà da mandà gne nagniraky Anà."
17
Nipody tame fifaliagny ireo fitopolo, ka nizaka hoe: "Tompo, ndre da gne demonia aza da nagneky anay tame gn'agnaranao."
18
Nizaka tamindreo i Jesosy hoe: "Nahita an'i Satana nilatsaky avy agny an-dagnitry akô tselatry Iao."
19
Hiteo, f'efa nomeko anareo gne fahefagny hagnitsaky gne menaragny, gne hala, sady ambonin'e herin'e fahavalo agnaby, da ndre ino ndre ino da tsisy handratry anareo agnaby.
20
Ndre da izany sa da ka mifaly fotsiny am'izany, hoe nagneky anareo gne fagnahy, fa mifalia kokoa hoe voasoratry agny an-dagnitry gn'agnaranareo."
21
Tamin'io fotoagny io abao da nifaly tokôtry tao ame Fanahy Masina Izy, sady nizaka hoe: "Midera Anao Iao, Ray, Tompon'e lagnitry izy ame tany, f'efa nafininao iregny raha iregny tame hendry izy ame mana-tsaigny, da nambara tam'ireo tsy manam-pahalalagny, akô gne zaza madiniky. Eka, Raiko, fa izany gn'ankasitrahagny tsara agnatrehanao."
22
Gne raha agnaby da nakinin'e Ray taminà, sady tsisy mahalala hoe ia gne Zanaky afa-tsy gne Ray, da tsisy mahalala hoe ia gne Ray afa-tsy gne Zanaky izy am'izay nosafidin'e Zanaky habôky an'Azy."
23
Avy eo da niodigny teo ame mpianatry Izy da nizaka moramora hoe: "Sambatry izay mahita ireo raha izay hitanareo.
24
Zakaiko aminareo, Mpaminany da mpanjaka maro gne nagniry gn'ahita izay raha hitanareo, fa tsy ho itandreo izany, sady aharegny ireo raha regninareo, fa tsy regnindreo izany."
25
Indro, nisy mpampianatry lalàn'e Jiosy raiky nitsangagny mba hitsapa an'Azy, ka nizaka hoe: "Mpampianatry o, ino gne tsy maintsy hamboariko mba handova gne fiainagny mandrakizay?"
26
Jesosy nizaka tamin'azy hoe: "Ino gne voasoratry ao ame lalàgna? Akôgnaia gne famakianao an'izany?"
27
Namaly izy ka nizaka hoe: "Tiavo gne Tompo Andriamanitrao ame fonao agnaby, ame fagnahinao agnaby, ame herinao agnaby, sady ame fisaignanao agnaby, da gne namanao akô gne tegnanao."
28
Nizaka tamin'azy i Jesosy hoe: "Marigny gne navalinao. amboary izany, da ho velogny anao."
29
Fa gne mpampianatry, nagniry hagnamarigny gne tegnany, da nizaka tam'iJesosy hoe: "Ia me gne namako?"
30
Namaly an'azy Jesosy ka nizaka hoe: "Nisy lelà raiky nidigny avy agny Jerosalema ho agny Jeriko. Izy da azon'e mpagnendaky, da voaendaky gne fanagnany agnaby, sady vôdaroky izy, da tsy nijanogny indreo raha tsy efa ho faty izy.
31
Sendra nisy mpisorogny nandalo tam'izany lalagny izany, nony nahita an'azy izy, da nivily lalagny.
32
Akô izany koa gne Levita raiky, refa nandalo tame toeragny ka nahita an'azy, da nivily lalagny avakoa.
33
Fa nisy Samaritana raiky, refa nandeha tame nandehanany izy, da avy teo ame nisy an'azy. Refa nahita an'azy izy, da nalahelo an'azy.
34
Da nagnatogny an'azy izy ka namehy gne ratriny, da nagnisy menaky izy ame divay tam'izany. Napitikininy gne bibiny izy, ka nindesiny tagny ame tragnom-bahiny, da nokarakarainy.
35
Gn'omaraignin'igny da nangala denaria roy izy, da nomeny gne tompo-tragno, sady nagnano hoe: 'Karakaray izy, da ndre ôtrino ndre ôtrino gne laninao mihôtry, refa mipody iao, da efaiko.'
36
Ia am'izy telo io, araky gn'evitrao, gne naman'e voendaky?"
37
Namaly izy hoe: "Gne raiky nalahelo an'azy." Jesosy nizaka tamin'azy hoe: "Mandehana sady magnamboara akô izany koa."
38
Sady raha niara-nandeha indreo, da niditry tao ame tanàgny raiky Izy, da nisy viavy raiky antsovagny hoe Marta nampandroso an'Azy tandragnony.
39
Nanagny rahavavy atao hoe Maria izy, iay nipetraky teo ame tombokin'e Tompo sady niteno gne zakany.
40
Fa Marta sahiragny be tame fagnamboran-draha. Negn'am'i Jesosy izy, da nagnano hoe: "Tompo, tsy mampagnino Anao me gne mahita gne rahavaviko mamela anà hagnano raha raiky? Zakay rô izy hagnampy anà."
41
Fa namaly i Tompo ka nagnano tamin'azy hoe: "Marta, Marta, maro lôtry gne raha mampagnahy anao,
42
f'izy raha raiky avao gne tena ilaigny. Maria da efa nifidy gne tsara indrindra, izay tsy azo halaigny eo amin'azy."
Chapter 11
1
Da izao gne nibôky refa nivavaky tao ame toeragny raiky Jesosy, nisy raiky tame mpianatriny nizaka tamin'Azy hoe: "Tompo, mba hampenaro mivavaky iay akô gne nampenaran'i Jaona gne mpianatriny."
2
Hoy i Jesosy tamindreo hoe: "Refa mivavaky anareo da zakay hoe: 'Ray o, ho hamasignigny anie gn'agnaranao. Ho avy anie gne fanjakanao.
3
Omeo anay gne haninay isan'andro.
4
Avelay gne fahotanay, akô gne namelanay izay meloky taminay. Ka minday anay hoa agny ame fakam-panahy."
5
Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Ia aminareo gne hanagny nama, sady handeha ho agny ame misasakaligny, sady hagnano amin'azy hoe: "Ry akama, mba ampindramo mofo telo iao,
6
fa misy namako raiky vao avy lavitry, sady tsy managny ndre ino ndre ino harosoko an'azy iao.'
7
Sady mety hamaly an'azy gnme raiky ao andragno hoe: 'Ka magnelingeligny anà koa rô.' Efa mihidy gne varangarako io, sady gne zanako efa matory, miaraky aminà. Tsy afaky mitsangagny hagnome mofo ho anao koa iao.'
8
Mizaka aminareo Iao, fa ndre da tsy mitsangagny na magnome mofo anareo aza izy satria namany anareo, da noho anareo mandetry avao tsisy hegnatry, da hitsangagny izy ka hagnome anareo izay mofo ilainareo.
9
Mbola mizaka aminareo koa Iao, Mangataha, da homegny anareo izany; mitadiava, da hahita anareo; dodomy, da ho vohagny anareo.
10
Fagn'olo izay mangataky agnaby da mahazo, sady izay mitady da mahita, sady izay olo mandodona, da ho vohagny.
11
Ia aminareo raim-pianakaviagny iro gne, hangatahan'e zanakareo trondro, ka bibilava gn'omenareo an'azy fa tsy trondro? [Fagnamarihagny: Gne fandikagny tsara indrindra misy vaki-teny fohiky kokoa, gn'arahitsika eto. Gne fandikagny taloha sasany da misy vaki-teny lavalava kokoa, izay hita ao ame Matio 7:9 avakoa: "Raim-pianakaviagny ia aminareo gn'angatahan'e zanany mofo, ka vato gn'omenareo an'azy? Na trondro, ka hagnome an'azy bibilava?"]
12
Na raha mangataky atody izy, da homenareo hala me izy?
13
Noho izany, ndre anareo ratsy fagnahy aza mahalala magnome raha tsara ho an'e zanakareo, samindraky gne Rainareo izay agny an-dagnitry tsy hagnome anareo gne Fanahy Masina raha mangataky amin'Azy anareo?"
14
Da i Jesosy nandroaky demonia môgny. Refa nivôky gne demonia, da lasa nahay izaka gne lelà izay môgny, da gaga gn'olo.
15
Fa gn'olo sasany nizaka fa: "Ame gn'alalan'i Belzaboba, izay mpitariky gne demonia, gn'androahany demonia."
16
Gne sasany nitsapa an'Azy sady nitady famantaragny avy agny an-dagnitry tamin'Azy.
17
Nefa lalan'i Jesosy izay tao ame saignindreo ka nizaka tamindreo Izy hoe: "Gne fanjakagny agnaby izay mizarazara da ho rava, sady gne tragno izay mizarazara da hirodagny."
18
Koa raha miady an-dragno izany i Satana, akôgnaia gn'ampaharitry gne fanjakany? Fa hoy anareo hoe mandrôky demonia ame alalan'e Belzeboba Iao.
19
Fa raha mandrôky demonia ame alalan'i Belzeboba Iao amign'alalan'ia kosa gn'androahan'e mpagnara-dia anareo an'azy? Noho izany, da indreo gne hitsara anareo.
20
Fa raha mandrôky gne demonia ame alalan'e ratsa-tagnan'Andriamanitry Iao, da avy aminareo gne fanjakan'Andriamanitry.
21
Refa ampy fitaovagny tsara e lelà mahery raiky miambigny e tragnony, da voaaro e harenany,
22
nefa râ mahery noho izy e lelà raiky da mandresy anazy, da alain'e lelà mahery tokôtry amin'e lelà e fiadiagny, sady hendahigny fanagnan'e lelà.
23
Izay tsy miaraky aminà da manohitry Anà, sady izay tsy mivory miaraky aminà da misaraky.
24
Refa miala amign'olo raiky e fagnahy ratsy, da lasa izy mamakivaky toeragny tsy misy rano sady mitadia fitsaharagny. Sady refa tsy mahita, da hoy izy hoe: 'Andeha hipody agny ame tragno nevisako iao.'
25
Refa tafapody, izy da mahita zany tragno zany voadio sy vôlamigny.
26
Avy eo da lasa izy sady mangalaky fagnahy hafa ratsy mihôtry e tegnany miisa fito miaraky aminazy izy sady da miditry mba hipetraky ao izy agnaby. Da ratsy tokôtry noho e vôlohany e fiafaragnany izany olo izany."
27
Sady râ nizaka ireo zavatry ireo Izy, da nisy viavy raiky nanandratry e feony t'agnatin'e fokon'olo sady nagnano taminazy hoe: "Sambatry e troky izay niteraky Anao izy ame nono izay ninononoanao."
28
Fa hoy Izy hoe: "Sambatry, tokôtry azaky, ireo izay miteno e tenin'Andriamanitry sy mitazogny an'izany."
29
Sady râ mbola mitombo gn'olo, da nanomboky nizaka Jesosy hoe: "Ity taranaky ity da taranaky ratsy. Mitadia famataragny izy, nefa tsy hisy famataragny abôky anazy afa-tsy gne famataran'i Jona.
30
Fa akô gne nihavian'i Jona ho famataragny tamindreo Ninivita, akô izany avakoa gne da ho famataragny e Zanak'olo amin'ity taranaky ity.
31
Gne Mpanjaka vavin'e Atsimo da hitsangagny amin'e fitsaragny miaraky amin'ireo lelà amin'ity taranaky ity da hagnameloky andreo, fa avy ame faran'e tany izy mba hiteno e fahendren'i Solomona, sady indro, etoa gn'olo zakabe mihôtry an'i Solomona.
32
Gne lehilahin'i Ninive da hiaraky hitsangagny amin'ity taranaky ity ame fitsaragny sady hagnameloky anazy, satria nibebaky tamin'e nitorian'i Jaona indreo, sady indro, misy olo zakabe noho Jona etoa.
33
Tsy misy olo raiky, râ nampirehitry jiro, da magnapetraky izay ame toeragny tokagny ndre ao ambanin'e haro, fa anigny ame fipetrahan'e jiro, mba ho hitan'izay miditry gne hazavagny.
34
Gne masonao e jiron'e vatagny. Refa tsara e masonao, da rakotry hazavagny gn'aigny agnaby. Fa râ tsy koa e masonao, da feno mizigny gn'ainao.
35
Noho izany, mitandrema anareo mba tsy ho mizigny e hazavagny aminareo.
36
Sady râ feno hazavagny sady e tegnanareo agnaby, da tsy misy ampahan'izany agnatin'e haizigny, da ho akô gne jiro izay mampamirapiratry gne hazavagny gn'aminao e tegnanareo manontolo.
37
Refa vita e korogniny, da nisy Fariseo nagnasa hiara-hisakafo aminazy t'andragnony, da niditry Jesosy da nidoboky.
38
Gaga e Fariseo fa tsy nisasa alohan'e hihinagny Jesosy.
39
Fa hoy e Tompo taminazy hoe: "Amizao, Anareo Fariseo, da manadio gn'ambak'e tasy izy ame lasety, nefa gn'agnatinareo da feno rombaky sy faharatsiagny."
40
Anareo ry kidy saigny! Tsy nagnano izay agnatiny avakoa me izay nagnano gn'ambaky?
41
Omeo e sahiragny izay ao agnatiny, da ho madio ho anareo e raha agnaby.
42
Fa loza ho anareo ry Fariseo, satira mandoha gne ampahafolon'e solila izy ame rota sady kakazo hafa egny an-tanimbary anareo, nefa tsy norarahinareo gne fahamarinagny izy ame fitiavan'Andriamanitry. Ilaigny e magnano e marigny sy mitia an'Andriamanitry, e sady tsy magnadigno e magnano ireo raha hafa avakoa.
43
Loza ho anareo ry Fariseo, fa tianareo e toeragny vôlohany egny ame synagoga izy ame fiarabagny feno fagnajagny anareo egny an-tsena.
44
Loza ho anareo, fa anardo da akô e kobôry tsy misy famantragny izay hitsan'olo fa tsy fantatriny izany.
45
Gne raiky tamin'ireo mpampianatry lalàgny nizaka taminazy hoe: "Mpampianatry o, izany zakainao zany da magnano tsy misy dikany koa."
46
Jesosy nizaka hoe: "Loza ho anareo, ry mpampiana-dalàgny! Fa mampinday entagny mavesatry tsy zakan'olo anareo, nefa tsy mikasiky izany entagny mavesatry zany avao ndre da gne rambon-tagnanareo raiky azaky.
47
Loza ho anareo, satria magnambotry kobôry ho an'ireo mpaminagny anareo, nefa e razambenareo e namono andreo.
48
Da vavolombelogny sady magneky gn'asan'e razanareo anareo, fa namomo andreo tokôtry indreo sady anareo e magnambôtry gne kobôry.
49
Noho izany avakoa, e nagnambaran'e fahendren'Andriamanitry hoe: 'Andefa mpaminany sy apostoly amindreo Iao, sady indreo hamono sy hagnegny e sanany amindreo."
50
Ity taranaky ity, izany, gne ho tomponan'andraikitry ame ràn'ireo mpaminagny agnaby nilatsaky hatramin'e naharian'izao tontolo izao,
51
nanomboky tame ràn'i Abela da hatrame ràn'i Zakaria, izay novonoigny t'agnelagnelan'e alitara izy ame fitoeragny masigny. Eka, zakaiko marina aminareo, fa ity taranaky ity gne ho tompon'antoky.
52
Loza ho anareo ry mpampianatry gne lalàn'e Jiosy, satria nalainareo e fanalahidin'e fahalalagny; tsy miditry ao e tegnanareo, sady sakananareo ireo izay miditry."
53
Tafaran'e nialan'i Jesosy teo, da nanohitry Anazy e mpanora-dalànagny izy ame Fariseo sady niady hevitry tamin'e raha maro,
54
sady niezaky gne hamadiky Anazy tamin'e zakany avao.
Chapter 12
1
Tamin'izany, refa niara-niangogny gne fokonolo an'arivony maro, maro loatry hagny ka nifanitsa-kitro indreo, voalohany indrindra da nanomboky nizaka tamin'e mpianany Izy hoe: "Tandremo gne masimasin'e Fariseo, izay fetsarambelatsihy."
2
Fa tsisy takogny izay ty niboky, sady tsisy miafigny izay tsy ho fantatry.
3
Ka ndre ino ndre nozakaninareo tao ame haizigny da ho re ao ame fahazavagny, sady izay nozakainareo teo ame sofigny tagnatin'e efitragno da hambara egny ambonin'e tragno.
4
Mizaka aminareo Iao rô namako, ka malia ireo izay mamono gne tegna, sady afaran'izany da tsisy ndre ino ndre ino azony anigny esanaky.
5
Fa hampitandrigny anareo Iao gne amin'izay hatahoragny. Maliava gne Raiky izay, refa mamono, da managny gne fahefagny gne hagnary anareo agny ame helo. Eny, mizaka aminareo iao, maliava an'Azy.
6
Tsy amidy farantsa kidy roy me gne tsintsina dimy? F'izy tsisy raiky amin'iregny izay adigno eo imason'Andriamanitry.
7
Fa ndre gne volon-dohanareo aza da voaisa agnaby. Ka malia. Fa manan-danja mihôtry nohon'e tsintsina maro anareo.
8
Hoy Iao aminareo, izay olo agnaby magneky Anà eo agnatrehan'e olo, gne Zanak'Olo avakoa da hagneky an'azy eo agnatrehan'e anjelin'Andriamanitry,
9
fa izay mandà Anà eo agnatrehan'e olo da handagnako eo agnatrehan'e anjelin'Andriamanitry.
10
Izay olo agnaby mizaka manohitry gne Zanak'Olo, da ho avela amin'azy izany, fa izay olo agnaby mizaka ratsy manohitry gne Fanahy Masina kosa, da tsy ho voavela izany.
11
Refa minday anareo eo agnatrehan'e synagoga, gne mpanampaky, sy gne manam-pahefagny indreo, da ka magna gne amin'izay ho fomba fizakanareo ho ferovan-tegnanareo, ndre izay ho zakainareo,
12
satria gne Fanahy Masina gne hampianatry anareo izay tokony ho zakainareo amin'izany lera izany."
13
Avy eo nisy olo raiky avy tao amin'e fokonolo nizaka tamin'Azy hoe: "Mpampianatry ô, zakano gne rahalako mba hizara gne lova aminà."
14
Jesosy nizaka tamin'azy hoe: "Ralelà, ia gne nagnano Anà ho mpitsara na mpagnelagnelagny anareo?"
15
Hoy izy tamindreo hoe: "Miembena mba hihazonanareo gne tegnanareo lavitry gne fagnirian-dratsy agnaby, satria gne fiaignan'olo raiky da tsy miankigny ame fitobaky gne fanagnany."
16
Avy eo Jesosy nagnano fagnoharagny raiky tamindreo, nagnano hoe: "Namokatry be gne tondan'e lelà mpanan-karena raiky,
17
sady nagnontany tegna izy, nizaka hoe: "Ino gne ho aniko, fa tsy managny toeragny hagnopegny gne vokatriko iao?"
18
Hoy izy hoe: "Izao gne aniko. Halavoko gne tragno fipetram-bokatriko da hanangagny zakabe kokoa iao, sady ao amin'ireo gne hagnangonako gne voako sy gne vokatry hafa.
19
Da hizaka ame fagnahiko iao hoe: "Fagnahy ô, anao da managny vokatry marobe voahopy ho ame taogny maro. Mipetra tsara, mihinana, mindranoma, mifalia."
20
Fa Andriamanitry nizaka tamin'azy hoe: "Ralelà mola, androany aligny gne fagnahinao gne halaigny aminao, ka gne raha izay nomaninao, ho an'ia io?"
21
Izany gn'olo izay manangogny harena ho an'e tegnany sady tsy manan-karena magnoloagny an'Andriamanitry."
22
Jesosy nizaka tamin'e mpianatriny hoe: "Noho izany da zakaiko aminareo, ka magna gne ame ainareo _ izay hohaninareo, na gne momban'e tegnanareo _ izay ho sikininareo.
23
Fa gne aigny da mihôtry noho gne hanigny, sady gne tegna da mihôtry noho gne fisikinagny.
24
Dinio gne goaiky, tsy mamafy iregny na mijinja. tsy managny fipetram-bokatry iregny na tragno fagnopegny, f'izy omen'Andiamanitry hanigny iregny.Mitovy ame akôgnaia gne fihoafanareo lanja mihôtry noho gne vorogny!
25
Ia aminareo gne afaky magnampy hakiho raiky gne andro iaignany ame kirakanigny?
26
Koa raha izany raha kidy indrindra izany aza tsy ainareo anigny, nagnino anareo gne magna gne ame sisa?
27
Dinio gne lilia _ magnano akôgnaia gne fagniriny. Tsy miasa izy iregny, na mamboly. F'izy zakaiko aminareo, ndre i Solomona tame voninahiny magnome aza tsy nisikigny akô gne raiky tamin'iregny.
28
Raha tafian'Andriamanitry akô izany gne hatry egny an-tonda, izay eo androany, sady gne omaray agnaty fatagny, akôgnaia gne hagnafiany anareo mihôtry lavitry noho izany, anareo ry kidy finoagny ô!
29
Ka mitady izay hohaninareo sy izay ho dranominareo, sady ka magna.
30
Fa gne firenegny agnaby etoa amin'izao tontolo izao ireo da mitady iregny raha iregny, sady fantatry gne Rainareo fa mila iregny anareo.
31
Fa tadiavo gne fanjakany, da homegny ho fagnampiny ho anareo iregny.
32
Ka malia, ry andian'ondry vitsy, satria gne Rainareo da tena faly gne hagnome anareo gne fanjakany.
33
Amidio gne fanagnanareo sady omeo gne mahantra. Magnamboara fipetram-bola ho an'e tegnanareo izay tsy mety ho tonta _ harena agny an-dagnitry izay tsy mety lany, izay tsisy mpangalatry magnakaiky, sady tsisy kalalao manimba.
34
Fa agny amin'izay hipetran'e harenareo, da ho agny avakoa gne fonareo.
35
Aoky gne akanjo lavanareo ho hasikinareo gne valahanareo, sady aoky gne jironareo hirehitry hatrany,
36
sady magnamboara akô gne olo izay mandigny gne tompony hipody avy agny ame lanonam-pampakaram-bady, mba refa avy izy ka mandondogny, da ho afaky hagnapoa gne varavaragny ho an'azy avy hatragny indreo.
37
Sambatry gne mpanompo, izay hitan'e tompony fa niambigny refa avy izay. Zakaniko marigny aminareo, fa hisikigny gne lamba lavany ame valahany izy, sady hampipetraky andreo eo ame latabatry, ka ho avy izy sady hanompo andreo.
38
Raha ho avy ame lera faharoy ame aligny gne tompo, ndre ame lera fahatelo azaky, ka mahita andreo vonogny, da ho sambatry ireo mpanompo ireo.
39
Ho fagnampin'izany da fantaro izao, fa raha fantatry gne tompon-tragno gne lera hevisan'e mpangalatry, da tsy nagnapetraky gne tragnony ho vakigny izy.
40
Mivonògna avakoa, fa tsy fantatrinareo gne lera hiavian'e Zanak'Olo."
41
Petera nizaka hoe: "Tompo ô, aminay avao me gne izakananao izany fagnoragny izany, sa ame olo agnaby avakoa?"
42
Gne Tompo nizaka hoe: "Ia izany gne mpitantagny mahatoky sy hendry izay ho tondroin'e tompony ho ambonin'e mpanompony hafa mba hagnome andreo gne anjara hanindreo ame fotoagny mety?
43
Sambatry izany mpanompo izany, izay hitan'e tompony magnano izany refa avy izy.
44
Zakaiko marigny aminareo fa ho tondroigny hanapaky gne fanagnany agnaby izy.
45
Fa raha mizaka ao am-pony izany mpanompony izany hoe: "Nahemotry gne tompoko gne fipodianany," ka manomboky mamono gne mpanompo laha sy vavy, sady mihinagny sy mindrano, ka lasa mamo,
46
gne tompon'izany mpanompo izany da ho avy ame andro tsy ampoizigny, sady ame lera tsy fantany, sady hanapatapaky an'azy ka hagnomagny toeragny ho an'azy miaraky amin'e tsy mahatoky.
47
Izany mpanompo izany, nahafantatry gne sitrapon'e tompony, f'izy tsy niomagny na nagnano araky gne sitrapony, da ho vangosigny ame famangoagny maro.
48
Fa izay tsy nahafantatry sady nagnano izay magneva ahazoagny daboky kosa, da ho vangosigny ame famangosagny kidy. Fa ireo agnaby izay nomegny be, da ho be kokoa gne ho takiagny amin'azy, sady ireo izay nagnankinagny be, da ho be lavitry aza gne hangatahigny amin'azy.
49
Avy Iao hanipy afo egny ambonin'e tany, sady akôgnaia gne fagniriako mba hirehetan'izany sahady.
50
Fa managny fagnamboaram-batisa iao, sady akôgnaia gne fahoriako mandra-pahatanterakan'izany!
51
Mihevitry me anareo fa avy Iao mba hinday fiadanagny etoa ambonin'e tany? Tsia, mizaka aminareo iao, fa fampisaragny izany.
52
Manombok'izao da hisy dimy ao ame tragno raiky izay hisaratsaraky _ olo telo manohitry gne roy,sady gne roy manohitry gne telo.
53
Hisaratsaraky indreo, gn'aba hanohitry gne zanaky laha, sady gne zanaky laha hanohitry gne aba; i endry hanohitry gne zanaky viavy sady gne zanaky viavy hanohitry gne endry; gne rafozam-bavy hanohitry gne vinanto vavy, sady gne vinanto vavy hanohitry gne rafozam-bavy."
54
Nizaka tamin'e fokonolo koa Jesosy hoe: "Refa mahita rahogny miforogny egny andrefagny anareo, da hoy anareo avy hatrany hoe: "Hisy rikandro ho avy," sady da mibôky izany.
55
Refa misy rivotry mifofo avy agny atsimo, da hoy anareo hoe: "Hisy hafanagny be ho avy," sady mibôky izany.
56
Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo gne mandika gne toetoetrin'e tany izy ame lagnitry, fa akôgnaia gne tsy ahaizanareo mamantatry izao andro amin'izao fotoagny izao?
57
Nagnino anareo gne tsy mitsara izay marigny ho an'e tegnanareo?
58
Fa refa mandeha miaraky ame mpifanandrigny aminareo eo agnatrehan'e mpitsara ambony anareo, egny an-dàlagny da miezaha handamigny gne olo miaraky amin'azy mba tsy handehanany handosotry anareo eo ame mpitsara, sady mba tsy hagnomezan'e mpitsara anareo agny ame mpamatotry, sady mba tsy handefasan'e mpamatotry anareo agny am-ponja.
59
Hoy iao aminareo, tsy ho tafazotso ao mihitsy anareo mandra-pandoavanareo gne vola farany izay madiniky indrindra."
Chapter 13
1
Tam'izany andro zany, nisy olo sasany tamigneo nizaka taminazy gne momba gne Galiliana da gne ràn-dreo e nafangaron'i Pilato tame sorogniny manokagny.
2
Namaly Jesosy sady nizaka tamindreo hoe: "Anareo me ko mieritreritry fa indreo Galiliana aby io da mpanonta Mihoatry noho gne Galiliana hafa aby satria nijaly akoizany?
3
Tsia, Iao mizaka anareo.Fa raha tsy mivavaka anareo, anareo aby da ho faty akoizany.
4
Ndre gn'olo valo ambin'ny folo ta Siloama e nilatsahan'e tilikambo da nahafaty andreo, mieritreritry me anareo fa tena mpanota ratsy mihoatry andreo lelà hafa ta Jerosalema igny?
5
Aha, hoy Iao. Fa anareo da tsy mivavaky, anareo agnaby avakoa da ho faty."
6
Jesosy nagnano izao fagnoharagny izao hoe: "nisy olo nanagny kakazon'e gnaviavy raiky nambolegny tame tanim-bôlobokiny da avy izy sady nagnety vôkazo taminazy f'izy tsy nahita ndre ino ndre ino.
7
Igny lelà igny da nizaka tamin'e mpambôtry zaridaigny hoe: 'Indro, avy tetoa iao nandritry gne telo taogny sady niezaky nitadia voa tam'ity kakazon'e gnaviavy ity f'izy tsy nahita mihintsy. Tapay io. Nagnino io gn'avela manimba gne tany?'
8
Namaly gne mpambôtry zaridaigny da nizaka hoe: 'Avelay eo eky io am'ity taogny ty mandra-pangadiako nagnodidigny anazy sady hagnasiako zeziky aminazy.
9
Raha mamo izy ame taogny magnareky, tsara; fa Raha tsy zany, da tapay izy!'"
10
Da i Jesosy nampianatry tame raiky tamin'gne Synagoga nandritry e Sabata.
11
Igny, nisy viavy raiky izay managny e Fagnahy ratsin'e fahalemegny nandritry e valo ambin'ny folo taogny teo, sady izy da nivokoky sady tsy navita nitsanga tsara.
12
Nony nahita an'Azy Jesosy, da Magnantso an'Azy da nizaka hoe: "Raviavy, afaky ame fahalemenao anao."
13
Napetrakiny teo ame tagnany, sady niaraky tamizay da nitraka igny viavy igny sady nihoby an'Andriamanitry.
14
Saingy gne mpanapaky gne synagoga da vignitry nohon'e fagnasitragnagny nanin'i Jesosy tame Sabata. noho izany da namaly e mpanapaky sady nizaka tamign'olo hoe: "Misy enina andro izay tokony iasagny. Mevia da sitràgna, fa kosa tsy ame andro Sabata."
15
Gne Tompo namaly an'azy da nizaka hoe: "Ry mpiatsaravelatsihy! Tsy samy manataky gne boriky na gn'aombiny ao ame valany anareo ka minday an'izany hindrano ame Sabata?
16
Sady akô izany koa ity zanak'i Abrahama viavy i, izay voafatotr'i Satana nandritry gne valo ambifolo taogny ity, tsy tokony mba ho vahagny me gne fatotriny ame gn'andro Sabata?"
17
Sady raha nizaka an'izany raha agnaby izany Izy, da megnatry ireo agnaby izay nanohitry an'Azy, fa gne fokon'olo raiky agnaby da faly noho ireo raha agnaby malaza namboariny.
18
Da nizaka i Jesosy hoe: "Akôgnaia gne fanjakan'Andriamanitry, sady akôgnaia gn'afaky agnoharako an'izany?"
19
Izany da akô gne voatsinampy izay nalaigny da nafafin'e lelà raiky teo antokotaniny, da lasa kakazo akabe raiky, da gne vorogny nagnambôtry gne singingy tame ratsagniny."
20
Mbola nizaka avao Izy hoe: "Ino gn'afaky hampitoviko gne fanjakan'Andriamanitry?
21
Izany da akô gne masirasira izay nalain'e viavy raiky da nafangarony tame koba in-telon'e famaragny mandra-piparitakiny ao agnatin'e koba agnaby."
22
Jesosy da nandeha nitety gne tanàgny izy ame vohitry tsiraidraiky tegny an-dalagny megna Jerosalema sady nampianatry andreo.
23
Nisy raiky nizaka tamin'Azy hoe: "Tompo, gn'olo ho vonjegny me ka ho vitsy? Da hoy izy tamindreo hoe:
24
"Miadia gne hihiditry gne varangarapitsa anareo, satria mizaka aminareo Iao, maro gne te hisisiky, fa tsy ho afaky gne hihiditry.
25
Refa igny nitsangagny gne tompo-tragno sady magnidy gne varangara, da hitsangagny ambadiky do anareo ka handondogny gne varangara sady hizaka hoe: 'Tompo, Tompo, ampidiro iay.' Hamaly Izy ka hizaka aminareo hoe: 'Tsy lalako anareo na gne tegnanareo.'
26
Da hizaka anareo hoe: 'Nihinagny da nindrano tagnatrehanao iay, sady Anao efa nampianatry tegny ame lalambenay.'
27
Fa Izy da hamaly hoe: 'Mizaka aminareo Iao, tsy lalako gne fevianareo. Melà eto Aminà, anareo mpagnano ratsy!'
28
Hisy fitomagniagny izy ame fihidiham-bazagny refa indro anareo mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, izy ame mpaminany maro ao ame fanjakan'Andriamanitry, f'izy anareo voaroaky agny ambadiky.
29
Indreo da ho avy lata antsignanagny, andrefagny, avaratry, da atsimo ka hipetraky eo ame latabatrin'e fanjakan'Andriamanitry.
30
Aoky ho lalanao izao, ireo izay tsy da manan-danja gne ho voalohany, da ireo izay tena manan-danja gne ho farany."
31
Tafara kidin'izany, nisy Fariseo sasany avy sady nizaka tamin'Azy hoe: "Mandehana elaygn'etoa satria i Heroda da ta-hamono Anao."
32
Jesosy nizaka hoe: "Mandehana da zakay an'izany amboadia izany hoe: 'Indro, Iao mandrôky demonia sady magnasitragny androany izy amign'omaray, da ame andro fahatelo ho tratriko gne tanjoko.'
33
Ndre ino ndre ino mibôky, zava-dehibe Aminà gne manohy androany, omaray, da gn'andro amgnaraky, satria tsy azo ekegna gne famonoagny gne mpaminany lavitry an'i Jerosalema.
34
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono gne mpaminany sady mitora-bato ireo izay nirahigny tagny aminareo. Impiry Iao gne magniry gne handagnogny gne Zanany ambany elatrany, f'izy tsy magniry an'izany anareo.
35
Indro, nelagny gne tragnonareo. Iao da mizaka aminareo, tsy ho hitanareo Iao mandra-pizakanareo hoe: "Sambatry izay avy ame gn'agnaran'e Tompo."'
Chapter 14
1
Sady Sabata indraiky, refa negnà ame tragnon'e raiky tamin'e mpitariky gne Fariseo hihinagny mofo Izy da nagnara-maso an'Azy akeky indreo.
2
Indro, teo alohany nisy lelà raiky izay nampijalin' e edema.
3
Jesosy nagnontany gne manam-pahaizagny ame lalàn'e Jiosy sy gne Fariseo hoe: "Azo anigny me gne magnasitragny ame andro Sabata, sa tsia?"
4
Fa indreo da nangigny. Noho izany da nalain'i Jesosy izy, sady nositragniny, da nalefany handeha.
5
Hoy izy tamindreo hoe: "Ia aminareo izay manan-janaky lelà na aomby tafalatsaky agnaty barika gne avy da tsy hisintogny an'azy ame andro Sabata?"
6
Indreo da tsy nisy nahavita nagnome valiny an'ireo raha ireo.
7
Refa tsikaritr'i Jesosy gne fomba fisafidianan'ireo izay nasaigny gne toeram-boninahitry, nagnano fagnoharagny izy, nizaka tamindreo hoe:
8
"Refa asaigny ame lanonam-panambadiagny anareo, ka mipetraky eo ame toeram-boninahitry, satria mety nisy olo nasaigny mbola manam-boninahitry noho anareo.
9
Refa avy gne olo izay nagnasa anareo, da hizaka anareo izy hoe: "Omeo an'ity olon-kafa ity gne toeranao," sady am-pahamegnaragny gne andehananareo hamonjy gne toeragny ambany indrindra.
10
Fa refa asaigny anareo, mandehana da mipetraha ame toeragny ambany indrindra, amin'izay refa mandalo eo gne nagnasa anao, da mety hizaka anao hoe: "Namana ô, miakara ame ambonimbony." Sady avy eo da homem-boninahitry anareo eo agnatrehan'ireo izay olo agnaby miaraky latabatry aminareo.
11
Fa ireo izay manandra-tegna da hahetry, sady izay manetri-tegna da hasandratry."
12
Jesosy avakoa da nizaka tamin'e lelà nagnasa an'Azy hoe: "Refa magnome hanigny na fagnasagny anao, da ka magnasa gne namanao ndre gne rahalànao ndre gne mariny anao ndre gne mpanakarena magnodidigny anao, ame mety hagnasagny anao koa gne ho takalon'izany, sady da ho vovaly anao.
13
Fa refa magnano fagnasagny anao, asao gne mahantra, gne kilemaigny, gne mandringa, sady gne jamba,
14
da ho sambatry anao, satria tsy afaky hamaly anao indreo. Fa anao da ho vovaly ame fitsanganan'e marigny."
15
Refa naregny ireo raha ireo gne raiky tamin'gne niaraky latabatry tamin'i Jesosy, da nizaka tamin'Azy hoe: "Sambatry izay mihinagny gne mofo ao ame fanjakan'Andriamanitry!"
16
Fa Jesosy nizaka tamin'azy hoe: "Nisy lelà raiky nikarakara hanigny zakabe sady nagnasa olo maro.
17
Refa vokarakara gne hanigny, da nagniraky gne mpanompony izy hizaka an'ireo izay nasaigny hoe: "Mandrosoa, fa gne raha agnaby da efa vonogny."
18
Izy agnaby da nitovy saigny sady nanomboky nagnano fialan-tsigny. Gne voalohany nizaka tamin'azy hoe: "Nividy tanim-boly iao, ka tokony hizotso iao sady agnety an'izany. Miala tsigny iao."
19
Gne raiky hafa nizaka hoe: "Nividy aomby folo iao, sady andeha hamantatry andreo. Miala tsigny iao."
20
Avy eo nisy lelà raiky hafa nizaka hoe: "Vao avy nampiaka-bady iao, sady noho izany da tsy afaky gne ho avy iao."
21
Da avy gne mpanompo sady nizaka tame tompony ireo raha ireo. Avy eo gne tompon-tragno vignitry tamin'e mpanompony hoe: "Mandehana malaky agny amin'ireo lalam-be izy ame sapan-dalagny eto an-tanàgny da indeso aty gne mahantra, gne mandringa, gne jamba, sady gne kilemaigny."
22
Nizaka gne mpanompony hoe: "Tompo, efa vita izay nobekoninao, fa mbola misy toeragny mamalaky avao."
23
Hoy ity tompony tamin'e mpanompony hoe: "Mandehana egny amin'e lalam-be izy ame sisim-boly sady alero indreo ho avy, amin'izay ho feno gne tragnoko.
24
Fa zakaniko aminareo, tsy hisy hagnandragny gne haniko ireo lelà izay nasaigny."
25
Sady fokonolo maro gne nandeha niaraky tamin'azy, da nitodiky Izy sady nizaka andreo hoe:
26
"Raha misy aminareo magnatogny Ana sady tsy malaigny an'i abany, an'i endriny, gne vadiny, gne zanany, gne rahalàny sy gne rahavaviny, sady ndre gne fiaignany aza, da tsy afaky gne ho mpianatriko izy.
27
Ndre ia ndre ai tsy madanja gne hazofijaliany sady magnaraky Ana da tsy afaky gne ho mpianatriko.
28
Fa ia aminareo, izay magniry gne hanangagny tilikambo, gne tsy mipetraky aloha sady magnisa gne fandaniagny raha managny izay ilaigny hamitagny an'azy izy?
29
Raha tsy izany, refa nametraky gne fototry izy nefa tsy havita an'izany avao, da hanomboky hagnabarabara an'azy gn'olo agnaby izay mahita an'izany,
30
magnano hoe: "Io lelà io gne nanomboky nanangagny f'izy tsy nahavita avao."
31
Na koa mpanjaka ino, raha handeha hifagnatriky ame mpanjaka hafa ame ady, gne tsy hidoboky aloha sady hangala hevitry raha miaraky ame lelà raialigny da afaky hiady ame mpanjaka hafa izay avy manohitry an'azy miaraky ame lelà roialigny?
32
Raha tsy izany, raha mbola lavitry gne tafiky hafa, da mandefa antoky izy sady mangataky fepetra ho ame fihavanagny.
33
Ka noho izany, ndre ia ndre ia aminareo tsy mahafoy izay raha agnaby hanagnany da tsy afaky gne ho mpianatriko izy
34
Tsara gne sira, fa raha very gne tsiron'e sira, akognaia gne hampimpody an'azy hasira indraky?
35
Tsisy ilan'e tany an'azy ndre da gne zezi-tany azaky. Ariagny fotsiny izany. Izay managny tadigny hidesi-miteno, aoky izy hiteno."
Chapter 15
1
Da gne mpamory hetry marobe sy gne mpanota sasany da nagnatogny an'i Jesosy mba hiteno Anazy.
2
Nifampimenomenogny gne Fariseo sy gne mpanora-dalagny, nizaka hoe: "Io lela io da mandray mpanota, sady miaraky mihinagny amindreo mihitsy aza."
3
Jesosy nagnao izao fagnoharagny izao tamindreo, nizaka hoe:
4
"Ia aminareo, raha managny ondry zato izy da aveo very gne raiky amindreo, gne tsy handao e sivy amy sivy folo an-tany efitry, da handeha hitady gne raiky very mandra-pahitany anazy?
5
Da rehefa hitany izany, da apetrakiny ame sorokiny da mifaly izy.
6
Rehefa tonga andragno izy, da angiany aby gne namany sy gne mpiara-monigny aminazy, mizaka andreo hoe: 'Mifalia miaraky amina, fa hitako gne ondriko very.'
7
Akô izany koa, mizaka aminareo Iao, fa hisy fifaliagny an-dagnitry nohon'e mpanota raiky izay mibebaky, mihotry noho gne olo-marina sivy amby sivy folo izay tsy mila mibebaky.
8
Ndre ia e viavy managny farantsa kidy folo, raha very gne farantsa raiky, gne tsy ampiretry e jiro, hamafa e trano, sady hitady amim-pahazotoagny mandra-pahitany izany?
9
Rehefa hitany izany, da angiany avakoa gne namany sy gne mpiara-monina aminazy, da hizaka hoe: 'Mifalia miaraky amina, fa itako gne farantsakidy izay very.'
10
Ako izany koa, Iao magnambara aminareo, misy fifaliagny eo agnatrehan'e Anjelin'Andriamanitry ame mpanota raiky izay mibebaky."
11
Aveo Jesosy nizaka hoe: "Nisy lela raiky nanagny zakay roy lahy,
12
da gne faralahy tamindreo nizaka tame rainy hoe: 'Aba o, omeo ana gne anjara harena izay tokony ho ana.' Da nozarainy tamindreo gne fanagnany.
13
Tsy ela tafaran'izany, gne faralahy nanangogny e anjarany marobe da nandeha tame firenegny raiky lavitry teo, da tagny izy e nandany fahatany gne harenany marobe tame fiainany maditra.
14
Da rehefa laniny aby gne maro, da nisy mosary zakabe niboely tame firenena io, da nanomboky tagnatin'e tsy fahampiagny izy.
15
Nandea izy sady nikarama tame raiky tamin'gne mponina tamin'io firenena io, izay nandefa azy tagny ame sahany mba hamahagny kisoa.
16
Ta hinagny mafy gne sakafo fihinagny kisoa izy, satria tsy nisy olo nagnome anazy ndre ino ndre ino.
17
Fa rehefa tonga saigny gne faralahy, da nizaka izy hoe: 'Firy ame manompon'gne Abako e managny hanigny mihoatry gne sahaza, da ity iao, matin'e mosary!
18
Hilozako etoa da ho ame Raiko iao, sa iao mizaka aminazy hoe: "Aba ô, efa nanota tame lagnitry iao, sy tamasonao.
19
Tsy mendriky gne angizagny hoe zanakinao esanaky iao; an'io akô raiky amin'gne mpanomponao iao."
20
Noho izany nandea gne faralahy da nagnatogny ame abany. Raha mbola lavitry izy, da hitagn'e abany, da tohigny nangoraky, da nihazakazaky, da nifihigniny sy nagnoroky anazy.
21
Gne Zanany lahy nizaka hoe: 'Aba ô, efa nanota tame lagnitry sy tamasony iao. Tsy mendriky gne angizagny hoe zanakinao iao.'
22
Gne raiky nizaka tame mpanompony hoe: 'Ento malaky gne akanjo tena tsara, da ampagnisio anazy, da asio peratry e tagnany, sy kapane tongotriny.
23
Aveo ento gne zanak'aomby matavy da vonoy izany. Atsika isika hankalaza ame fety!
24
Satria gne zanako lahy da maty, da am'izao velogny indraiky. Very izy, sady am'izao da hita indraiky.' Aveo da nanomboky nikoragny indreo.
25
Da gne lahomatoany da tan-tonda. Rehefa nagnatogny e tragno izy, da naregny hira sy dihy.
26
Nangaiky e raiky tame mpanompo izy da nagnotany anazy hoe mety ho ino izany râ izany.
27
Gne mpanompo nizaka taminazy hoe: 'Nody an-dragno e rahalanao da novonoin'i abanao gne zanak'aomby matavy, satria tonga soa aman-tsara izy.'
28
Vignitry e lahimatoa, da nalay niditry, da nibôky iabany, da niangavy anazy.
29
F'izy namaly e lahimatoa da nizaka tame rainy hoe: 'Iteo, efa ametaogny maro e nanompo Anao, da mbola tsy nandika gne lalànao iao, da anao tsy mbola nagnome ndre da zana'osy nahafako nikoragny niaraky tame namako.
30
f'izy rehefa tonga e zanakao lahy, izay nandany gne fanagnanoa tame mpivaro-tegna, da novoinao ho anazy gne zanak'aomby nafahy.'
31
Hoy iabany taminazy hoe: 'Zanako, anao da miaraky aminà fezay, da gne ra marobe ana da anao.
32
F'izy rariny ho antsika e nikoragny sy mifaly, satria ity ralahinao da maty, da am'izao da velogny indraiky; very izy, da am'izao da hita indraiky."'
Chapter 16
1
Da hoy koa Jesosy tamin'e mpianany hoe: "Nisy lelà mpanan-karena raiky nanagny mpitantagny, sady notanterigny tagny amin'azy fa io mpitantagny io gne nandany gne fanagnany agnaby.
2
Koa nampangiagny an'azy gne lelà mpanan-karena sady nizaka tamin'azy hoe: "Ino izany regniko momba anao izany? Magnomeza tatitry momban'e asa fitantagnanao, fa anao tsy ho afaky gne ho mpitandri-panagnagny esanaky."
3
Sady gne mpitandri-panagnagny nizaka tagny agneritreritry hoe: "Ino izany gne tokony aniko, fa mangala ana ame asa tantagniko gne tompoko? Tsy manan-kery hiasagny tany iao, sady megnatry gne hangataky iao.
4
Fantatriko gne ho aniko, mba refa alaigny ame asa fitantagnako iao, da hampandroso anà ao andragnon'indreo gn'olo."
5
Avy eo gne mpitan-draharaha nangaiky gne tsiraindraiky tamin'e mpitrosan'e tompony, sady da nagnontany gne voalohany izy hoe: "Otrino gne anagnan'e tompoko agny aminao?
6
Nizaka izy hoe: "Menaky oliva zato litatry." Nizaka tamin'azy izy hoe: "Alay gne taratasinao, midoboa malaky, sady dimam-polo soratagny."
7
Sady avy eo gne mpitantagny nizaka tame raiky hoe: "Otrino gne trosanao?" Nizaka izy hoe: "Vary zato famarana." Nizaka tamin'azy izy hoe: "Alay gne taratasinao, sady soraty hoe valopolo."
8
Avy eo gne tompo nidera gne mpitantagny tsy marigny satria niasa t'an-kafetsegny izy. Fa fetsy kokoa gne zanak'izao tontolo izao gne ame fifagnarahagny amin'izy samy olo noho gne zanaky gne fahazavagny.
9
Mizaka aminareo iao, mitadiava namagny ame alalan'e vola tsy marigny, amin'izay refa lany izany, da mety ho raisindreo ao ame fonenagny mandrakizay anareo.
10
Izay mahatoky ame kidy indrindra da mahatoky ame be koa, sady izay tsy marigny ame kidy indrindra da tsy marigny ame be koa.
11
Raha tsy mahatoky ame fampiasagny vola tsy marigny anareo, ia gne hatoky anareo ame harena marigny?
12
Raha tsy mahatoky ame fampiasagny gne volan'e hafa anareo, ia gne hagnome vola anareo manokagny?
13
Tsisy mpanompo afaky manompo tompo roy, fa ndre izy halaigny gne raiky da ho tia gne raiky, na koa izy hanolo-tegna ho an'e raiky da hagnano tsinontsinogny gne raiky hafa. Tsy afaky manompo an'Andrimanitry izy ame haregny anareo."
14
Sady gne Fariseo, izay tia vola, refa naregny an'izany raha agnaby izany, da nagnamavo an'Azy indreo.
15
Nizaka tamindreo Izy hoe: "Anareo da magnamarigny gne tegnanareo eo imason'olo, fa Andriamanitry mahalala gne fonareo. Fa izay hasandratry eo amin'olo da hankahalaigny eo imason'Andriamanitry.
16
Gne lalàgny izy ame mpaminany da nisy mandra-pevisan'i Jaona. Efa hatramin'izany fotoagny izany, gn'efa nitoriagny gne filazantsaran'e fanjakan'Andriamanitry, sady gne tsiraindraiky da niezaky nagnitsy gne lalany ho amin'izany.
17
Fa moramora kokoa gne hahafoagny gne lagnitry izy ame tany noho gne soratry kidy indrindra ao ame lalàgny ho lasa tsy mantazaky.
18
Izay misaraky ame vadiny ka mampiakatry viavy hafa da minjangajanga, sady izay mampiakatry viavy izay efa nisara-bady da mijangajanga.
19
Sady nisy mpanan-karena raiky izay nisikigny voloparasy sy rongony manify sady nankamamy isan'andro gne harem-beny.
20
Nisy mpangataky raiky angiagny hoe Lazarosy nipetraky teo ame vavahadiny, rakotry fery,
21
sady nagniry mba hihinagny izay latsaky avy eo ambony latabatr'e lelà mpanan-karena. Fa ndre gne amboa azaky avy sady nilelatry gne bainy.
22
Sady indro maty gne mpangataky ka nentin'e anjely ho eo agnilan'i Abrahama. Maty avakoa gne mpanan-karena ka nalevigny,
23
sady tao ame fahaverezagny, raha nampijaliagny, da nanandratry gne masony izy sady nahita an'i Abrahama tegny alavitry sady i Lazarosy teo agnilany.
24
Koa nikiaky mafy izy sady nizaka hoe: "Abrahama Ray, mamindrà fo aminà sady alefaso Lazarosy, mba hagnatsobohany gne tendron'e rantsan-tagnany ao agnaty rano sady hampangatsetseky gne lelako, fa atoa agnatin'e fangirifiriagny mafy agnatin'ity afo ity iao."
25
Fa Abrahama nizaka hoe: "Anaky, tadidio fa tame androm-piainanao da nahazo raha tsara anao, sady gne an'i Lazarosy kosa raha ratsy. Fa amin'izao fotoagny izao izy aty da voatambitamby, sady anao ao ame fangirifiriagny.
26
Ankoatr'izany raha agnaby izany, da nisy hantsagny zakabe napetraky, mba tsy ho afaky hempita izay te-hempita avy ety megn'aminareo, sady tsisy afaky hempita avy egny ho egny ety aminay."
27
Gne lelà mpanan-karena nizaka hoe: "Miangavy anao iao, Abrahama Ray ô, mba hagnirahanao an'azy ho agny andragnon'i abako _
28
fa managny rahalà dimy iao _ mba afahany mampitandrigny andreo, nohon'e tahotry gne hiavisandreo aty amin'ity toeran'e fijaliagny ity avakoa."
29
Fa Abrahama nizaka hoe: "Managny an'i Mosesy sy gne mpaminany indreo; apetray indreo hiteno andreo."
30
Sady namaly gne lelà mpanan-karena hoe: "tsia, Abrahama Ray ô, fa raha misy avy ame maty megn'amindreo, da hibebaky indreo."
31
Fa Abrahama kosa nizaka tamin'azy hoe: "Raha tsy miteno an'i Mosesy sy gne mpaminany indreo, da tsy ho resy lahatry mihitsy ndre misy olo mitsangagny ame maty azaky."
Chapter 17
1
Jesosy nizaka tamin'e mpianany hoe: "Azo antoky fa hisy raha afaky hanosiky antsika hanota, fa loza ho an'e olo izay hiavian'izany!
2
Tsara ho an'azy kokoa raha asiagny vato be eo ame vozogny ka atsipy agny an-dranomasigny, akô izay hahatafintohigny gne raiky amin'e madiniky io.
3
Mitandrema anareo. Raha manota gne rahalahinareo, zakano mafy izy, sady raha mifona izy, mamela an'azy.
4
Raha manota aminao impito ao agnatin'e andro raiky izy, ka impito mipody aminao izy, mizaka hoe: "Mifona iao, da tsy maintsy mamela an'azy anao!"
5
Gne apostoly nizaka tame Tompo hoe: "Ampitomboy gne finoanay."
6
Gne Tompo nizaka hoe: "Raha managny finoagny ohatr'e voatsinampy anareo, da afaky mizaka amin'io voroihazo io hoe: "Miongota, sady mambolea agny an-dranomasigny, "da hagneky anareo izy.
7
Fa ia aminareo, gne managny mpanompo miasa tany ndre miandry ondry, ka hizaka amin'azy refa avy lata-tonda izy hoe: 'avia malaky ka midoboa mba hihinagny'?
8
Fa tsy hizaka amin'azy me izy hoe: 'Hikarakarao raha hohaniko iao, da asio hetry magnodidigny gne akanjonao da manompoa anà mandrapahalanin'e haniko izy ame findranomako. Da avy eo anao mihinagny sy mindranoma?'
9
Tsy misaotry gne mpanompo izy satria nagnano gne izay nibekoagny an'azy izy, sa misaotry me izy?
10
Ndre da anareo koa azaky, refa nahavita gne raha izay nandidiagny anareo anareo, da tokony hizaka hoe: "Iay da mpanompo tsy magneva. Izay tokony naninay avao gne naninay."
11
Sady raha nandeha ho agny Jerosalema Izy, da nandeha teo ame sisin-tany teo agnelagnelan'e Samaria sy Galilia.
12
Refa niditry tao ame tanàgny raiky izy, da nisy boka folo lahy nifankahita tamin'Azy etao. Nitsangagny lavitry an'Azy indreo
13
sady nanandratry ambony gne feondreo, nizaka hoe: "Jesosy, Tompo ô, mamindrà fo aminay."
14
Refa nahita andreo Izy, da nizaka tamindreo hoe: "Mandehana da aboay amin'e mpisorogny gne tegnanareo." Raha igny lasa igny indreo da nadio.
15
Refa nahita gne raiky tamindreo fa sitragny izy, da niverigny, niaraky tame feo mafy nankalaza an'Andriamanitry.
16
Nadadilady teo an-tongotr'i Jesosy izy, nagnome fisaoragny ho an'Azy izy. Izy da Samaritana.
17
Sady Jesosy nizaka hoe: "Tsy efa vôdio me izy folo? Fa aia gne sivy?
18
Tsy nisy hafa nipody hagnome voninahitry an'Andriamanitry me, afa-tsy ity vahiny ity?
19
Sady hoy Izy tamin'azy: "Mitsangàna, da mandehana. Gne finoanao gne nahatsitragny anao."
20
Raha nagnontanian'e Fariseo hoe mety hovia gne fanjakan'Andriamanitry gne ho avy, da namaly andreo Jesosy ka nizaka hoe: "Tsy hita-maso gne fiavian'e fanjakan'Andriamanitry.
21
Tsy hizaka koa indreo hoe: "Iteo, Inty gn'izy! na hoe: 'Iry gn'izy!' Fa indro, gne fanjakan'Andriamanitry da ao agnatinareo."
22
Hoy izy tamin'e mpianatry: "Avy gne andro hagnirianareo gne hahita gne raiky ame andron'e Zanak'Olo, fa tsy hahita izany anareo.
23
Sady indreo da hizaka aminareo hoe: "Iteo, ery! Iteo, ety!" Fa ka mizotso ndre magnegny andreo,
24
fa akô gne tselatry mamiratry mazava refa mitaratry avy agny ame ilan'e lagnitry ka hatragny ame ilany raiky, da akô izany koa gne Zanak'Olo ame androny.
25
Fa voalohany da tsy maintsy hijaly ame raha maro Izy sady ho andagnan'ity taranak'ity.
26
Akô gne raha nibôky tame andron'i Noa, gne hibôky koa ame andron'e Zanak'Olo.
27
Nihinagny indreo, nindrano, nanambady, nagnomegny ho ampakarigny, mandra-pevisan'e andro izay nidiran'i Noa tame sambofiara _ sady avy gne Safo-drano ka nandringagny an'azy agnaby.
28
Akô gne raha nibôky tame andron'i Lota _ nihinagny sady nindrano indreo, nividy sady nivarotry, namboly sady nagnano tragno.
29
Fa tame andro izay nizotsohan'i Lota avy tao Sodoma, da afo sy solifara gne nilatsaky avy tagny an-dagnitry ka nandringagny an'azy agnaby.
30
Da akô izany koa gne ame andro hiboan'e Zanak'Olo.
31
Amin'izany andro izany, ka apetraky hidigny hangala gne entany ho egny ambadik'e tragno izay egny ame tampon-tragno; sady ka apetraky hipody izay agny an-tonda.
32
Tadidio gne vadin'i Lota.
33
Ndre ia ndre ia mitady hamonjy gne ainy hahavery an'azy, fa ndre ia ndre ia hahavery gne ainy da hamonjy an'azy.
34
Mizaka aminareo iao, fa amin'izany aligny izany da hisy olo roy eo ambonin'e fandriagny raiky. Gne raiky da horaisigny, sady gne raiky ho apetraky.
35
Sady hisy roy vavy miara-madisa vary. Gne raiky ho raisigny, sady gne raiky ho apetraky."
36
[Fagnamarihagny: gne fandikagny taloha tsara indrindra da mangala gne andininy faha 36 hoe: "Hisy roy laha agny an-tonda; gne raiky ho raisigny, sady gne raiky ho apetraky."]
37
Nagnontany an'Azy indreo hoe: "Aia, Tompo?" sady Izy nizaka tamindreo hoe: "Izay hipetran'e faty, da agny koa gne hisy votoro hiara-miangogny."
Chapter 18
1
Avy eo Izy nizaka fagnoharagny tamindreo gne momba gne tokony hivavahandreo mandrakariva, sady tsy ho kivy,
2
nizaka hoe: "Tao ame tanàgny raiky da nisy mpitsara izay tsy natahotry an'Andriamanitry sady tsy nagnaja olo.
3
Sady nisy mpitondra-tegna raiky tao amin'io tanàgny io, sady izy negnamin'azy matetiky, nizaka hoe: "Ampio iao mba hahazoako rariny magnoloagny gne fahavaloko."
4
Fa efa elabe izy gne tsy vonogny gne hagnampy an'azy, fa tafara kelin'izany da nizaka tame tegnany izy hoe: "Ndre da tsy matahotry an'Andriamanitry azaky iao ndre magnaja olo,
5
koa satria manahiragny anà ity mpitondra-tegna ity, da hagnampy an'azy iao mba hahazoany rariny, mba tsy havalaky anà nohon'e fiveziveny lava aty esanaky izy."
6
Avy eo nizaka gne Tompo hoe: "Tenomo izay ambaran'e mpitsara tsy marigny.
7
Sady tsy hinday rariny ho an'izay voafidy mangaiky mafy an'Azy isan'andro isa-kaligny koa me Andriamanitry? Hangatak'andro lava amindreo me izy?
8
Zakaiko aminareo fa hinday rariny malaky amindreo izy. Akô izany koa refa avy gne Zanak'Olo, hahita finoagny ety an-tany tokôtry me Izy?"
9
Avy eo koa Izy nizaka izao fagnoharagny izao tame sasany izay nahatoky gne tegnandreo fa hoe marigny sy izay magnevateva ireo olo hafa:
10
"Nisy roy laha niakatry tao am-piangonagny mba hivavaky _ gne raiky da Fariseo sady gne raiky hafa da mpamory hetra."
11
Gne Fariseo nitsangagny sady nivavaky ireto raha momban'e tegnany ireto hoe: "Andriamanitry ô, misaotry Anao iao fa tsy mitovy ame olo hafa _ mpangalatry, olo tsy marigny, mpijangajanga _ ndre da akô ity mpamory hetra ity aza.
12
Mifady hanigny indroy isan-kerignandro iao. Magnome gne ampahafolon'izay azoko agnaby iao."
13
Fa gne mpamory hetra, nitsangagny tegny lavitry tegny, tsy nagneky nampihiratry gne masony tegny ame lagnitry mihitsy, fa niteha-tratra, nizaka hoe: "Andriamanitry ô, mamindrà fo aminà, mpanota."
14
Mizaka aminareo Iao, io lelà io da niverigny nidigny tagny andragnony voamarigny noho gne raiky, satria izay olo agnaby manandra-tegna da hahetry, fa izay olo agnaby manetri-tegna gne hasandratry."
15
Gne olo koa da ninday gne zanany mbola kidy teo amin'Azy, mba hikasihany andreo, fa refa nahita izany ireo mpianatry, da nizaka mafy andreo.
16
Fa Jesosy nangaiky andreo hagnatogny an'Azy, nizaka hoe: "Apetray gne zaza hagnatogny Anà, sady ka raragny indreo. Fa nanigny ho akô andreo gne fanjakan'Andriamanitry.
17
Zakaiko marigny aminareo, ndre ia ndre ia tsy handray gne fanjakan'Andriamanitry akô gne zaza da tsy hiditry ao amin'izany mihitsy."
18
Sady nisy mpanapaky raiky nagnontany an'Azy, nagnano hoe: "Mpampianatry ô, ino gne raha tsy maintsy anìko mba handovako gne fiainagny mandrakizay?"
19
Jesosy nizaka tamin'azy hoe: "Nagnino Iao gne antsovanao hoe tsara? Tsisy olo tsara, afa-tsy Andriamanitry raiky avao.
20
Fantatrinao ireo didy _ Ka mijangajanga, ka mamono olo, ka mangalatry, ka mitsangagny vavolombelogny mavandy, magnajà an'i abanao izy amin'i endrinao."
21
Nizaka gne mpanapaky hoe: "Izany raha agnaby izany da efa nekeko nanombok'iao mbola tanora."
22
Refa naregny an'izany Jesosy, da nizaka tamin'Azy hoe: "Raha raiky gne tsy ampy aminao. Tsy maintsy mivarotry izay raha agnaby anagnanao anao sady mizara izany ame sahiragny, da hanagny harena agny an-dagnitry anao _ da avia, magnara Anà."
23
Fa refa naregny ireo raha ireo gne mpanapaky, da nanjary nalahelo lôtry, fa nanan-karena be izy.
24
Sady Jesosy, nahita an'azy, nanjary nalahelo mafy [Fagnamarihagny: Ireo manam-pahaizagny da misara-kevitry raha tokony ho ampidirigny etoa gne zaka hoe: [Izy] da nanjary nalahelo mafy. Ampitoviso gne And 23] sady nizaka hoe: "Magnano akôgnaia gne fahasarotan'e fidiragny ao ame fanjakan'Andriamanitry ho an'ireo izay mpanan-karena!
25
Fa moramora kokoa ho an'e rameva gne hiditry ame vodim-panjaitry, nohon'e hidiran'e olo mpanan-karena raiky ao ame fanjakan'Andriamanitry."
26
Ireo izay naregny izany da nizaka hoe: "Ia izany gn'afaky ho vonjegny?"
27
Jesosy namaly hoe: "Ireo raha izay tsy hain'olombelogny da hain'Andriamanitry."
28
Petera nizaka hoe; "Indro, niala gne raha agnaby izay any iay sady nagnaraky Anao."
29
Da Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Zakaiko marigny aminareo, fa tsisy olo izay nahafohy tragno, na vady, na rahalà, na ray aman-dreny, na zanaky, nohon'e fanjakan'Andriamanitry,
30
izay tsy hahazo bebe kokoa amin'ity izao tontolo izao ity, sady ame andro ho avy, da fiainagny mandrakizay."
31
Refa avy nandagno gne roy ambin'e folo laha teo amin'Azy Izy, da hoy izy tamindreo hoe: "Indro, miakatry ho agny Jerosalema atsika, ka gne raha agnaby izay voasoratr'e mpaminany mombon'e Zanak'Olo da ho tanteraky.
32
Fa homegny eo amin'gne Jentilisa Izy, ka hihomehezagny, sy halaigny baraka, sady ho roràgny.
33
Afaran'e handaboandreo an'Azy, da ho vonoindreo Izy sady ame andro fahatelo da hitsangagny indraiky Izy."
34
Tsy nahatakatry ndre ino ndre ino tamin'ireo raha ireo indreo, sady nafinigny tamindreo izany zaka izany, sady koa tsy azondreo gne raha izay voazaka.
35
Sady raha nagnakaiky an'i Jeriko i Jesosy, da nisy lelà jamba raiky nipetraky teo an-tsisin-dàlagny nangataky,
36
sady raha naregny gne fokonolo nihôtry, da nagnontany izay raha nibôky izy.
37
Nizaka tamin'azy indreo hoe nihôtry teo Jesosy avy agny Nazareta.
38
Da nangaiky mafy gne lelà jamba, nagnano hoe: "Jesosy, Zanak'i Davida, mamindrà fo aminà."
39
Fa ireo izay nandeha taloha da nizaka mafy an'e lelà jamba, ka nizaka tamin'azy mba hisigny. Fa izy vômaiky nangaigaiky mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida, mamindrà fo aminà."
40
Jesosy nijanogny sady nandidy gne mba hidesagny gne lelà ho eo amin'azy. Sady refa teo akeky gne lelà jamba, da nagnontany an'azy Jesosy hoe:
41
"Ino gne tianao haniko ho anao?" Nizaka izy hoe: "Tompo, te-hahita iao."
42
Jesosy nizaka tamin'azy hoe: "Mahità. Gne finoanao gne nahasitragny anao."
43
Teo noho eo da nahita izy sady nagnaraky an'Azy, nagnome voninahitry an'Andriamanitry. Gne olo agnaby, refa nahita an'izany, da nagnome fideragny ho an'Andriamanitry.
Chapter 19
1
Niditry Jesosy sady nandalo an'i Jeriko.
2
Indro, nisy lelà izay nangiagny hoe Zakaiosy teo. Izy da zakaben'e mpamory hetra sady nanan-karena.
3
Niezaky gne hahity izy hoe ia Jesosy, f'izy tsy afaky nahita tao agnaty fokonolo, satria botry izy.
4
Koa nihazakazaky negnalohan'gne olo izy sady nanganiky tame kakazon'aviavy raiky mba hahita an'Azy, satria handalo amin'izany lalagny izany Jesosy.
5
Refa avy teo ame toeragny teo Jesosy, da niandrandra Izy ka nizaka tamin'azy hoe: "E Zakaiosy, midigna malaky, fa androany da tsy maintsy hijanogny ao andragnonao Iao."
6
Da nidigny malaky izy sady nangala an'Azy tam-pifaliagny.
7
Refa nahita izany gn'olo agnaby, da nitoreo agnaby, nizaka hoe: "Niditry hamangy lelà izay mpanota Izy."
8
Nitsangagny Zakaiosy ka nizaka tame Tompo hoe: "Iteo, Tompo ô, gne atsasaky gne fanagnako da omeko ho an'e sahiragny, sady raha toa ka nisy raha nagnambakako olo, da honerako inefatry egny."
9
Jesosy nizaka tamin'azy hoe: "Androany gne famonjegny da avy atoa amin'ity tokantragno ity, satria izy koa da zanak'i Abrahama.
10
Fa gne Zanak'Olo da avy mba hitady sy hamonjy ireo olo izay very."
11
Raha naregny an'izany raha izany indreo, da nanohy nizaka Izy sady nagnano fagnoharagny raiky, satria teo akekin'i Jerosalema Izy, sady indreo nieritreritry fa hibôky teo noho eo gne fanjakan'Andriamanitry.
12
Noho izany Izy da nizaka hoe: "Nisy tandapa raiky nandeha ta-tany lavitry mba hahazo fanjakagny ho an'e tegnany sady hipody avy eo.
13
Nangaiky folo laha tamin'e mpanompony izy, da nagnome farantsa folo andreo, sady nizaka tamindreo hoe: "Magnamboara raharam-barotry mandra-pipodianako."
14
F'izy gne olony tsy nankatia an'azy sady nandefa solontegna nagnaraky an'azy, nizaka hoe: "tsy ilainay gne hanjakan'io lelà io etoa aminay."
15
Sady refa nipody indraiky izy, avy nangala gne fanjakagny, da nandidy gne mpanompony izay nomegny vola mba ho eo amin'azy izy, mba hahafatarany izay tombony azondreo tame fagnamboaragny raharam-barotry.
16
Avy teo agnolohany gne voalohany, nizaka hoe: "Tompo, gne farantsanao da nahazo tombony farantsa folo mihotry."
17
Nizaka an'azy gne tandapa hoe: "Tsara izany, rô mpanompo tsara. Noho anao nahatoky tame tena kidy kidy, da hanam-pahefagny ame tanàgny folo anao."
18
Avy gne faharoy, nizaka hoe: "Gne farantsanao, tompo, da nahavita farantsa dimy."
19
Sady nizaka tamin'azy gne tandapa hoe: "Hiandraikitry tanàgny dimy anao."
20
Avy gne raiky hafa, nizaka hoe: "Tompo, indro gne farantsanao, izay nakeniko tsara tao agnaty lamba,
21
fa natahotry anao iao, satria lelà maseky anao. Ka mangala izay tsy napetrakao, sady mijinja izay tsy nafafinao."
22
Nizaka tamin'azy gne tandapa hoe: "Ame zakanao manokagny gne hitsarako anao, anao rô mpanompo ratsy Fagnahy. Fantatriko fa iao da lelà maseky, mangala izay tsy napetrako, sady mijinja izay tsy nafafiko.
23
Koa nagnino da tsy napetrakao tagny ame mpitahiry vola gne volako, ka refa nipody iao da hangala an'izany niaraky tame zanany?"
24
Gne tandapa nizaka tamin'ireo izay tsy nitsangagny teo akeky teo hoe: "Alay amin'azy gne farantsa, sady omeo an'e managny gne farantsa folo."
25
Sady hoy indreo tamin'azy hoe: "Tompo, managny farantsa folo izy."
26
Iao mizaka aminareo, fa izay olo agnaby managny da homegny mihôtry, fa izay tsy managny, ndre da izay anagnany aza da ho alaigny.
27
Fa gne fahavaloko, ireo izay tsy nagniry Anà hanjaka eo amindreo, ideso aty indreo sady vonoy etoa agnoloako."
28
Refa avy nizaka an'ireo raha ireo izy, da nandeha nialoha, niakatry ho agny Jerosalema.
29
Sady nony avy teo akekin'i Betifaga sy Betania Izy, teo ame tendrombohitry angiagny hoe Oliva, da nagniraky gne roy tamin'e mpianany Izy,
30
nizaka hoe: "Mandehana agny ame tanagny magnaraky. Refa miditry anareo, da hahita zana-boriky raiky mbola tsy nitikinan'olo mihitsy. Tatay izany da indeso Aminà aty.
31
Raha misy magnontany anareo hoe: "Nagnino da tatanareo io?" da zakano hoe: "Misy ilan'e Tompo an'azy."
32
Ireo izay nirahigny da nandeha sady nahita gne zana-boriky araky gne nizakanin'i Jesosy tamindreo.
33
Raha teo am-panatagny gne zana-boriky indreo, da hoy ireo tompony tamindreo hoe: "Nagnino da tatanareo gne zana-boriky?"
34
Nizaka indreo hoe: "Misy ilan'e Tompo an'azy."
35
Nindesindreo tagny amin'i Jesosy izany, sady napetrakindreo teo ambonin'e zana-boriky gne lambany sady nametraky an'i Jesosy teo amboniny.
36
Raha nandeha igny Izy, da navelatrindreo teo ame lalagny gne lambandreo.
37
Sady refa nagnakaiky an'e toeragny fidignagny ame Tendrombohitr'Oliva Izy, da nanomboky nifaly gne mpianatriny maro be sady nidera an'Andriamanitry tame feo mafy nohon'e asa zakabe agnaby izay hitandreo,
38
nizaka hoe: "Deraigny anie gne mpanjaka izay avy ame agnaran'e Tompo! Fiadanagny agny an-dagnitry sady voninahitry agny ame ambony indrindra!"
39
Gne Fariseo sasany teo ame olo maro da nizaka tamin'Azy hoe: "Mpampianatry ô, zakano mafy ireo mpianatrinao. "
40
Namaly Jesosy ka nagnano hoe: "Zakaiko aminareo, fa raha mangigny ireo, da hizaka gne vato."
41
Refa nagnatogny gne tanàgny Jesosy, da nitomany tegna,
42
nizaka hoe: "Raha mba fantatrao mantsy amin'izao andro izao, eka anao, ireo raha izay mitondra fiadanagny ho anao! Nefa amin'izao iregny da mifiny ame masonao.
43
Fa ho avy aminao ireo andro, izay hananganan'e fahavalonao manda magnodidigny anao, da hagnodidigny anao, sady hadetry anao ame lefogny agnaby.
44
Indreo da hampandavo anao ame tany miaraky ame zanakao. Tsy hametraky ndre da vato raiky mifapitikigny aza indreo, satria anao tsy nahafantatry izany tamin'Andriamanitry mbola niezaky gne hamonjy anao."
45
Niditry tao am-piangonagny Jesosy sady nanomboky nandroaky ireo izay nivarotry,
46
nizaka tamindreo hoe: "Efa voasoratry hoe: "Gne tragniko da nanigny tragno fivavahagny," fa anareo kosa nagnano izany ho toeragny fifinian'e dahalo."
47
Koa da nampianatry isan'andro tao am-piangonagny Jesosy. Ireo lohan'e mpisorogny sy gne mpanora-dalàgny sady gne mpitariky gne fokonolo da nitady hamono an'azy,
48
fa tsy nahita fomba hagnamboaragny izany indreo, satria nazoto niteno an'Azy gne fokonolo agnaby.
Chapter 20
1
Sady indraiky andro, raha nampianatry gn'olo tao ame fiangonagny Jesosy sady nitory gne filazantsara, da nagnantogny an'Azy gne lohan'e mpisorogny izy ame mpanora-dalàgny niaraky tamin'e loholona.
2
Nizaka tamin'Azy indreo, nagnano hoe: "Zakano anay hoe ame fahefagny ino gne hagnamboaranao ireo raha ireo? Na koa ia gne nagnome anao izao fahefagny izao?"
3
Namaly Izy sady nizaka andreo hoe: "Iao koa da hametraky fagnontaniagny aminareo. Zakano Anà gne mahakasiky
4
gne batisan'i Jaona. Avy agny an-dagnitry me izany sa avy amin'olombelogny?"
5
Niady hevitry indreo, nizaka hoe: "Raha hamaly atsika hoe: "Avy agny an-dagnitry" da hizaka Izy hoe: "ka nagnino anareo gne tsy nino an'Azy?"
6
Fa raha mizaka atsika hoe: "Avy ame olombelogny," da hitora-bato antsika gn'olo agnaby, satria indreo da resy lahatry fa Jaona da mpaminany."
7
Noho izany da namaly indreo fa tsy fantatrindreo izay niaviny.
8
Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Iao koa tsy hizaka aminareo izay fahefagny hagnamboarako izao raha agnaby izao."
9
Nozakaniny tame fokonolo izao fagnoharagny izao: "Nisy lelà raiky nagnano tanim-boaloboky, nampagnofa izany tame mpamboly voaloboky, sady nandeha tagny ame firenegny hafa nanditra gne fotoagny maharitry.
10
Tame lera voatondro da nandefa mpanompo izy ho agny amin'ireo mpamboly voaloboky, fa tokony hagnome an'azy gne voankazon'e tanim-boaloboky indreo. Novangohin'ireo mpamboly anefa izy, sady nalefany nipody tagnam-polo.
11
Avy eo da nandefa mpanompo hafa indraiky izy sady da novangohindreo avakoa, nalainy baraka, sady nalefandreo tagnam-polo.
12
Mbola nandefa fagnintelony izy da noratraindreo koa izany, sady norohasiny.
13
Noho izany da nizaka gne tompon'e tanim-boaloboky hoe: "Ino gne ho anìko sa? Halefako agny gne zanako lahy malalako. Mety mba ho hajaindreo izy."
14
Fa refa tsijon'gne mpamboly voaloboky izy, da nifampiresaky indreo, nizaka hoe; "Io gne mpandova. Atsika ho vonointsika izy, mba ho lasantsika gne lova."
15
Noroahindreo niala gne tanim-boaloboky izy sady novonoindreo. Ino izany gne ho anin'e tompon'e tanim-boaloboky amindreo?
16
Ho avy izy sady hamotiky ireo mpamboly voaloboky, da hagnome gne tanim-boaloboky ho an'e hafa." Refa naregny izany indreo da nizaka hoe: "Sagnatria amin'Andriamanitry!"
17
Fa nagnety andreo Jesosy, nizaka hoe: "Ino gne hevitr'e voasoratry hoe: "Gne vato izay nandagnan'e mpagnambotry tragno gne lasa vato fehizoro?
18
Gne tsiraindraiky izay lavo eo amin'io vato io da ho torotoro. Fa ndre ia ndre ia ho lavo, da ho potiky."
19
Koa nitady hanambotry an'azy amin'io lera io ireo mpanora-dalàgny sy gne mpisorogny, fa fantatrindreo fa nozakaigny io fagnoharagny io hanohitry andreo. F'izy natahotry gne fokonolo indreo.
20
Teo am-pandinihagny an'Azy tsara, da nandefa mpitsikilo mody ho marigny indreo, mba afahandreo mahita tsigny ame raha zakainy, ka hagnome an'Azy eo ame fanapahagny izy ame fahefan'e governora.
21
Nagnontany an'Azy indreo, nizaka hoe: "Mpampianatry ô, fantatray Anao fa mizaka sy mampianatry am-pahamarinagny, sady tsy resy lahatry gne hevitrin'ia ndre ia, fa anao da mampianatry gne fahamarinagny momban'e lalan'Andriamanitry.
22
Ara-dalàgny ho anay me gne magnefa hetra amin'i Kaisara, sa tsia?"
23
Fa Jesosy da nahatakatry gne hafetsendreo, sady nizaka tamindreo hoe:
24
"Magnamboha denaria raiky Aminà. An'ia io sary sy agnaragny eo amin'azy io?" Nizaka indreo hoe: "An'i Kaisara."
25
Hoy Izy tamindreo hoe: "Noho izany omeo an'i Kaisara gne raha izay an'i Kaisara, sady an'Andriamanitry, ireo raha izay an'Andriamanitry."
26
Tsy nahita tsigny tamin'izay nizakainy teo agnatrehan'e fokonolo indreo, fa da angoagny tame valin'e raha nozakainy ka nisigny.
27
Refa avy teo amin'Azy gne sasany tamin'ireo Sadoseo, ireo izay nizaka fa, tsisy gne fitsanganagny ame maty,
28
nagnontany an'Azy indreo hoe: "Mpampianatry ô, Mosesy da nanoratry ho antsika fa raha maty gne rahalan'e lelà raiky, manam-bady, sady tsy manan-janaky, da tokony hangala vady an'e vadin-drahalany gne lelà, sady hagnome zanaky ho an'e rahalany.
29
Nisy mpirahala fito da gne voalohany nanambady, sady maty tsy nanan-janaky,
30
da akô izany koa gne faharoy.
31
Nampakatry an'azy gne fahatelo, da akô izany avakoa izy fito samy tsy nanan-janaky, sady maty.
32
Tafaran'izany da maty koa gne viavy.
33
Ame fitsanganagny ame maty, ho vadin'ia izany izy? Fa samy efa nanambady an'azy aby izy fito."
34
Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Ireo zanak'izao tontolo izao da mampaka-bady sady ampakarigny.
35
Fa ireo izay hita amin'izao andro izao fa magneva gne hangala gne fitsanganagny ame maty da tsy fampaka-bady na hampiakarigny.
36
Tsy ho faty esanaky indreo, satria mitovy amin'e anjely sy gne zanak'Andriamanitry, izay zanaky gne fitsanganagny ame maty.
37
Fa gne maty da natsangagny, ndre i Mosesy azaky da magnabôky, teo amin'e toeragny izay nisy gne voaroy, izay nangiany gne Tompo ho Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka da Andriamanitr'i Jakoba.
38
Sady Izy da tsy Andriamanitry gne maty, fa an' e velogny, satria gn'olo agnaby da velogny ao amin'Azy."
39
Gne sasany tamin'e mpanora-dalàgny namaly hoe: "Mpampianatry ô, namaly tsara Anao."
40
Satria tsy nasà nametraky fagnontaniagny hafa tamin'Azy esanaky indreo.
41
Jesosy nizaka andreo hoe: "Akôgnaià gne izakandreo fa kristy da zanaky lahin'i Davida?
42
Fa Davida tegnany gne nizaka tame bokin'i Salamo hoe: "Gne Tompo nizaka tame Tompoko hoe: "midoboa eo an-tagnakavanako,
43
mandra-pagnamboarako gne fahavalonao ho fagniseko tongotry."
44
Noho izany Davida da nangaiky an'i Kristy hoe: "Tompo, da akôgnaià gne mahazanak'i Davida an'Azy?"
45
Teo agnatrehan'e olo agnaby da nizaka tamin'gne mpianatriny Izy hoe:
46
"Mitandrema ame mpanora-dalàgny, izay magniry handeha miaraky ame akanjo lava, izy ame seza voalohany ao agnaty synagoga, sady ame toeragny voalohany agny ame fasagny.
47
Indreo koa da mandany gne tragnon'e mpitondra-tegna, sady magnano vavaky lavaregny ho fisehosehoagny. Gne lelà akô izany da hahazo fagnamelohagny zakabe kokoa."
Chapter 21
1
Jesosy nanipy maso ka nahita gne lelà manan-karena izay nandrotsaky gne fagnatitrindreo tao ame fandatsahan-drakitry.
2
Nahita mpitondra-tegna mahantra raiky nandrotsaky farantsa roy tao Izy.
3
Ka hoy Izy hoe: "Zakaniko marigny aminareo, ity mpitondra-tegna mahantra ity da nandrotsaky marobe noho izy agnaby.
4
Io raha agnaby io da nagnome fagnatitry araky gne hazakaben'e hareny. Fa ity mpitondra-tegna ity, tame fahantrany, da nandrotsaky gne fivelomany agnaby."
5
Raha nisy maro niresaky momba gne fiangonagny, fa voaravaky vato tsara tarehy sy fagnatitry izany, da hoy Izy hoe:
6
"Fa amin'e raha hitanareo io, mbola ho avy gne andro izay tsy hisy ndre vato raiky azaky hijanogny ame hafa ka tsy ho ravaigny."
7
Koa nagnontany an'Azy indreo, nagnano hoe: "mpampianatry ô, mety hovia io raha io gne hibôky? Ino gne famantaragny refa hibôky io raha io?
8
Jesosy namaly hoe: 'Mitandrema mba tsy ho voafitaky anareo. Fa maro gne ho avy ame agnarako, hagnano hoe: "Iao gne izy," sady, "Efa mariny gne fotoagny." Ka magnaraky andreo.
9
Refa maregny ady sy fikomiana anareo, da ka mihorohoro, fa io raha io da tsy maintsy hibôky aloha, fa gne farany da tsy hibôky eo noho eo."
10
Sady hoy Izy tamindreo hoe: "Gne firenegny da hitsangagny hanohitry firenegny, sady gne fanjakagny hanohitry fanjakagny.
11
Hisy horohoron-tany zakabe, sady mosary sy areti-mandringagny agny ame toeragny samifaha. Hisy tranga mampatahotry sady famantaragny zakabe avy agny an-dagnitry.
12
Fa mialohan'e raha agnaby io, da hisambotry anareo indreo sady hagnenjiky anareo, hagnome anareo ao ame synagoga izy ame figadragny, hinday anareo eo hagnatrehan'e mpanjaka sy gne mpanapaky nohon'e agnarako.
13
Izany da hagnome fahafahagny ho ame fijoroanareo vavolombelogny.
14
Noho izany da manapaha hevitry ao am-ponareo mba tsy hagnomagny gne fiarovanareo mialohan'e fotoagny,
15
fa Iao hagnome zaka sy fahendregny anareo, izay tsy afaky toherigny sy andagnan'e mpanohitry anareo.
16
Fa anareo koa da homen'i abany amin'i endriny, gne rahala, gne havagny sy gne namagny, sady indreo da hamono ho faty gne sasany aminareo.
17
Ho halan'e tsiraindraiky noho gne agnarako anareo.
18
Fa tsy hisy ho very ndre da singam'bolo raiky eo ame lohanareo azaky.
19
Ame faharetanareo gne hamonjenareo gne fagnahinareo.
20
Refa hitanareo voadidigny gne miaramila i Jerosalema, da fantaro fa efa mariny gne faharavagny.
21
Da apetray gne izay agny Jodia handositry agny an-tendrombohitry, sady apetray gne izay agny ategnategnan'e tanàgny hiala, sady ka apetraky hiditry ao gne izay agny ambanivolo.
22
Fa io gne andron'e valifaty, mba ho tanteraky io raha agnaby efa voasoratry io.
23
Loza ho an'izay bevoky sy ho an'e mampinono amin'izany andro izany! Fa hisy fahoriagny zakabe eo ame tany, sady havigniragny amin'io fokonolo io.
24
Ho lavon'e sabatry indreo sady ho entigny ho babo agny ame firenegny agnaby, sady Jerosalema da ho voahosihosin'e Jentilisa, mandrapa-tanteraky gne andron'e Jentilisa.
25
Hisy famantaragny egny ame masoandro, egny ame volagny, sy egny ame kintagny, sady etoa ambonin'e tany. Ho tra-pahoriagny gne firenegny, hitaintaigny nohon'e feon-dranomasigny sy gne onjany.
26
Hisy lelà ho toragnin'e tahotry izy ame fendrasagny io raha izay ho avy etoa ambonin'e tany io. Fa ho voahozongozogny gne herin'e lagnitry.
27
Avy eo da ho hitandreo gne Zanak'Olo avy egny ame rahogny miaraky ame hery sy voninahitry zakabe.
28
Refa manomboky mibôky io raha io, da mintsangàna sady hasandrato gne lohanareo, satria efa mariny gne fagnafahagny anareo."
29
Nagnano fagnoharagny tamindreo Jesosy hoe: "Iteo gne kakazon'aviavy, sy gne kakazo agnaby.
30
Refa mamela io, da ho hitanareo manokagny fa efa mariny gne lohataogny.
31
Akô izany avakoa, refa hitanareo mibôky io raha io, da fantatrinareo fa efa mariny gne fanjakan'Andriamanitry.
32
Zakaniko aminareo, marigny tokôtry, ity taranaky ity da tsy ho faty mandrampibohan'io raha io.
33
Gne lagnitry izy ame tany da ho levogny, fa gne zakako da tsy ho levogny mandrakizay.
34
Fa mitandrema ame tegnanareo, mba tsy ho vesarin'e vokatry gne findranomagny izy ame fahamamoagny gne fonareo, sy gne ahiahin'e fiainagny, ka avy eo da hihidy tampoky aminareo akô gne fandriky izany andro izany.
35
Fa izany da ho avy ame tsiraindraiky izay miaigny magneran-tany.
36
Fa ame fotoagny agnaby mba mailo, mivava mba ho ampy hery anareo hilefa ireo raha agnaby izay hibôky, sady hitsangagny agnoloan'e Zanak'Olo."
37
koa nandritra gn'andro da nampianatry tame fiangonagny Izy, sady gn'aligny da nandeha nijotso Izy sady nipetraky tame tendrombohitr'Oliva.
38
Gne fonkonolo agnaby da avy mazava ratsy agnaby mba hiteno an'Azy tame fiangonagny.
Chapter 22
1
Sady efa mariny gne Fifalifaliagny ame Mofo tsisy masimasy, izay angiagny hoe Paska.
2
Niady hevitry gne lohan'e mpisorogny sy gne mpanora-dalàgny gne ame fomba afahandreo mamono an'i Jesosy, satria natahotry gn'olo indreo.
3
Avy eo Satana niditry tamin'i Jodasy Iskariota, izay raiky tamin'e roy ambin'e folo.
4
Jodasy nandeha nankegny amin'gne lohan'e mpisorogny sy gne kapiteny sady niady hevitry tamindreo gne ame fomba hamadihagny an'i Jesosy eo amindreo.
5
Faly indreo, sady magneky gne hagnome vola an'azy.
6
Nagneky izy, sady nitady hevitry mba hagnomezany an'Azy eo amindreo lavitry gne fokonolo.
7
Avy gne andron'e mofo tsisy masimasy, izay tsy maintsy hagnamboaragny sorogny gne zanak'ondrin'e Paska.
8
Jesosy nagniraky an'i Petera sy Jaona, nagnano hoe: "Mandehana sady homagno ho antsika gne hanignin'e Paska, mba afahantsika mihinagny an'izany."
9
Indreo nagnontany an'Azy hoe: "Aia gne tianao hagnamboaragny gne fagnomanagny?"
10
Namaly andreo Izy hoe: "Tenomo, refa miditry gne tanàgny anareo, da hisy lelà raiky minday sinin-drano hifanepaky aminareo. Magnaraha an'azy agny amin'izay tragno idirany.
11
Da zakano gne tompon-tragno hoe: "Gne Mpampianatry mizaka aminao hoe: "Aia gne efi-tragno fandraisam-bahiny, izay hinanako gne hanignin'e Paska miaraky amin'e mpianatriko?"
12
Izy hagnabôky anareo efitragno ambony rihagny zakabe misy fanaky. Amboaro ao gne fagnomanagny."
13
Ka da nandeha indreo, sady nahita gne raha agnaby araky izay nozakainy tamindreo. Sady nagnomagny gne hanignin'e Paska indreo.
14
Refa avy gne fotoagny, da nipetraky niaraky tamindreo apostoly Izy.
15
Da nizaka tamindreo Izy hoe: "Nagniry mafy gne hihinagny ity Paska ity miaraky aminareo Iao mialohan'e fijaliako.
16
Fa zakaiko aminareo, tsy hihinagny ity esanaky iao, mandra-pahatanterak'izany agny ame fanjakan'Andriamanitry."
17
Da nandray kapoaky i Jesosy, sady refa nisaotry Izy, da nagnano hoe: "Alay ity, sady zaray aminareo.
18
Fa zakaiko aminareo, tsy hindrano gne vokatry gne voaloboky esanaky Iao, mandra-pevisan'e fanjakan'Andriamanitry."
19
Da nangala gne mofo Izy, da refa nisaotry, da notapahiny izany, sady nomegny andreo, ka nizaka hoe: "Ity gne vatako izay omegny ho anareo. Amboaro izao ho fahatsiarovagny Anà."
20
Nalainy akô izany koa gne kapoaky refa vita gne hanigny, da hoy izy hoe: "Ity kapoaky ity da gne fagnekegny vaovao ame ràko, izay nalatsaky ho anareo.
21
Fa mitandrema. Gne raiky izay hamadiky Anà da miaraky Aminà etoa ame latabatry etoa.
22
Fa gne Zanak'Olo da mandeha tokôtry araky izay voatondro. Fa loza ho an'izany lelà izay hamadiky an'Azy izany!"
23
Nanomboky nifapagnontany indreo gne ame raiky amindreo izay mety hagnano izany.
24
Da nisy fifandiragny nibôky koa t'amindreo momba izay heverigny ho zakabe indrindra amindreo.
25
Nizaka tamindreo Izy hoe: "Gne mpanjakan'e Jentilisa da tompondreo, sady ireo izay managny fahefagny amindreo da anigny ho akô ireo izay magnano tsara ho an'e fokonolo.
26
Fa tsy akô izany mihitsy gne aminareo. Mifanohitry amin'izany, apetray izay zakabe indrindra aminareo ho lasa akô gne kidy indrindra, sady aoky izay manan-danja indrindra ho lasa akô izay manompo.
27
Fa ia gne zakabe kokoa, izay mipetraky ame latabatry, sa izay manompo? Tsy izay mipetraky eo ame latabatry me? F'izy Iao etoa aminareo etoa akô gne raiky izay manompo.
28
Fa anareo gne olo izay nanohy niaraky taminà tao ame fakam-pagnahy niantra taminà.
29
Omeko fanjakagny anareo, akô gne Raiko koa izay nagnome fanjakagny ho Anà,
30
mba ho afaky hihinagny sy hindrano eo ambonin'e latabatriko agny ame fanjakako anareo, sady hipetraky eo ame seza fiandrianagny hitsara gne fokon'e Israely roy ambin'e folo anareo.
31
Simona, Simona, mitandrema anao, mitady gne hahazo anareo gne Satana, mba afahany manivagny anareo akô gne vary.
32
Fa nivavaky ho anao Iao, mba tsy ho faty gne finoanao. Afaran'e hipodiananao indraiky, da ampaherezo gne rahalanao."
33
Petera nizaka tamin'Azy hoe: "Tompo, vonogny hiaraky Aminao iao ndre agny am-ponja ndre ho agny ame fahafatesagny."
34
Jesosy namaly hoe: "Zakaiko aminao, Petera ô, tsy mbola hagneno gne akoho amin'izay andro izay, mialohan'e handagnanao Ana intelo hoe mahafantatry Ana anao."
35
Da nizaka tamindreo Jesosy hoe: "Refa nandefa anareo tsy niaraky tame fipetram-bola, kitapom-batsy, na kiraro Iao, nisy raha tsy ampy anareo me?" Namaly indreo hoe: "Tsy nisy."
36
Da nizaka tamindreo izy hoe: "Fa izao, izay managny fipetram-bola, apetray izy hangala izany, ndre gne kitapom-batsy avakoa. Izay tsy managny sabatry da tokony hivarotry gne lambany sady hividy raiky.
37
Fa Iao gne mizaka aminareo, izay voasoratry momba Ana da tsy maintsy tanteraky: "Izy da nalaigny akô gne raiky amin'e tsy magnara-dalàgny." Fa izay nizakaigny mialoha momba Ana da efa ho tanteraky."
38
Da nizaka indreo hoe: "Tompo, iteo! Itoa misy sabatry roy." Izy nizaka tamindreo hoe: "Ampy izay."
39
Tafaran'e hanigny, da nandeha Jesosy, akô gne faniny matetiky, tagny an-tendrombohitr'Oliva, sady nagnaraky an'Azy gne mpianatry.
40
Refa avy indreo, da hoy Izy tamindreo se: "Mivava mba tsy hidiranareo ame fakam-pagnahy."
41
Niala teo amindreo teo ho eo ame mitora-bato indraiky Izy, da nandohaliky Izy sady nivavaky,
42
nagnano hoe: "Ray ô, raha tianao iao, da alay aminà ity kapoaky ity. Ndre izany azaky tsy gne tiako, fa gne Anao gne ho tanteraigny."
43
Da nisy anjely avy agny an-dagnitry nibôky tamin'Azy, nampahery an'Azy.
44
Tao agnatin'e fangirifiriagny, nivavaky tan-kafanam-po mafy kokoa Izy, sady gne hatsembohany da lasa akô gne rà nitete tame tany.
45
Sady refa nitsangagny avy nivavaky Izy, da nandeha ame mpianatry, sady nahita andreo natory nohon'e alahelondreo,
46
ka nagnontany andreo hoe: "Nagnino da matory anareo sa? Mintsangàna sady mivava, mba tsy hidiranareo ame fakan-pagnahy."
47
Raha mboa nizaka Izy, indro, nisy fokonolo nibôky, niaraky tamin'i Jodasy, raiky amin'e roy ambin'e folo laha, nitariky andreo. Nagnakaiky an'i Jesosy izy mba hagnoroky an'Azy,
48
fa Jesosy nizaka tamin'azy hoe: "Jodasy, mamadiky gne Zanak'Olo ame alalan'e oroky me anao?"
49
Refa nahita gne raha niboky izay gne nagnodidigny an'i Jesosy, da nizaka indreo hoe: "Tompo, tsy tokony hamango ame sabatry me iay?
50
Avy eo gne raiky tamindreo namango gne mpanompon'e mpisorognibe, sady nanapaky gne sofiny havanagny.
51
Jesosy nizaka hoe: "Ampy izay!" Notanany gne sofiny, sady nositragniny izy.
52
Jesosy nizaka tame lohan'e mpisorogny, tamin'gne kapitenin'e fiangonagny, sady tamin'gne loholona izay avy hanohitry an'Azy hoe: "Avy akô gne hanambotry mpangalatry me anareo, miaraky ame sabatry sy langilangy aby?
53
Taminà niaraky taminareo isan'andro tao am-piangonagny, tsy nisambotry Ana anareo. Fa izao gne leranareo, izy ame fahefan'e haizigny."
54
Teo am-pisamboragny an'Azy, da notaritindreo Izy, sady nentindreo tagny andragnon'e mpisorignibe. Fa Petera nagnaraky lavidavitry tegny.
55
Refa avy nampiretry afo teo an-tegnategnan'e tokontany sady niara-nidoboky indreo, da nidoboky teo an-tegnategnandreo i Petera.
56
Nisy mpanompo vavy raiky nahita an'azy raha nidoboky teo ame fahazavan'e afo izy, sady nagnety mahitsy an'azy da nizaka hoe: "Ity lelà ity koa niaraky tamin'Azy."
57
Fa nandà anizany Petera, nizaka hoe: "E raviavy, tsy fantako Izy."
58
Afaky kidikidy da nisy olo hafa nahita an'azy, sady nizaka hoe: "Anao koa raiky amindreo." Fa Petera nizaka hoe: "E ralelà, tsy izy iao."
59
Refa afaky adiny raiky teo ho eo da nisy lelà hafa nagnizingizigny sy nizaka hoe: "Marigny fa niaraky tamin'Azy koa ity lelà ity, fa izy da Galiliana."
60
Fa Petera nizaka hoe: "E ralelà tsy fantako izay zakainao." Teo noho eo, raha mbola nizaka izy, da nisy akoho nagneno.
61
Niheriky, gne Tompo nagnety an'i Petera, sady Petera nahatadidy gne zakan'e Tompo, tame nizakanagny tamin'azy hoe: "Alohan'e hagnenoan'e akoho androany da handa Ana intelo anao."
62
Nizotso tagny ambadiky i Petera sady nitomagny mafy.
63
Sady ghe lelà niambigny an'i Jesosy da nagnabarabara sady namango an'Azy.
64
Nasiandreo sarogny Izy sady nagnontany an'Azy indreo hoe: "Maminania! Ia gne olo izay mamango Anao?"
65
Nizaka raha hafa maro hanohitry an'i Jesosy indreo, nizaka ratsy an'Azy.
66
Raha vao nazava gne andro, da niara-niangogny gne loholona, gne lohan'e mpisorogny izy ame mpanora-dalàgny. Nentindreo tagny ame Synedriona Izy
67
sady nizaka hoe: "Raha Anao gne Kristy, da zakano aminay." Fa Izy nizaka tamindreo hoe: "Raha ho zakaiko aminareo, da tsy hino anareo",
68
sady raha hagnontany anareo Iao, da tsy hamaly anareo.
69
Fa manomboky izao, gne Zanak'Olo da hipetraky eo an-tagna akavanan'e herin'Andriamanitry."
70
Izy agnaby nizaka hoe: "Da Zanak'Andriamanitry izany Anao?" Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Voazakanareo fa Iao no Izy."
71
Indreo nizaka hoe: "Nagnino da mbola mitady vavolombelogny itsika? Fa itsika mihitsy gne naregny avy tame vavany."
Chapter 23
1
Nitsangagny agnaby gn'olo teo, da ninday an'i Jesosy tamin'i Pilato.
2
Nanomboky nagnibitry an'Azy indreo, da nizaka hoe: "Hitanay ity lelà ity nametaveta e firenenay, nandrara gne hagnomezagny hetra ho an'i Kaisara, sady nizaka fa Izy tegnany mihitsy i Kristy, mpanjaka."
3
Da nagnontany an'Azy i Pilato hoe: "Anao me e mpanjakan'e Jiosy?" Da namaly Jesosy hoe: "Vôzakanao."
4
Da nizaka tame lohan'e mpisorogny izy ame fokonolo i Pilato hoe:
5
"Tsy mahita fahadisoagny amin'ity lelà ity iao." Fa mbola nidridriky avao indreo nagnano hoe: "Magnakorontagny fokonolo io, mampianatry magneragny an'i Jodia agnaby, manomboky e Galilia da hatrety amin'ity toeragny ity."
6
Refa regnin'i Pilato izany, da nagnontany izy raha Galiliana io lelà io.
7
Refa hitany fa t'ambany fahefan'i Heroda Izy, da nalefany tamin'i Heroda tagny i Jesosy, i Heroda izay tagny Jerosalema avakoa tamin'izany andro izany.
8
Rehefa hitan'i Heroda Jesosy da tena ravoravo izy, satria efa elabe izy te-ahita an'Azy. Naharegny gne momba an'Azy sady nagnantegna hahita fahagagagny maro naniny.
9
Maro e fagnontaniagny napetrak'i Heroda tamin'i Jesosy, f'izy i Jesosy tsy namaly ndre ino ndre ino an'azy.
10
Nitsangagny e lohan'e mpisorogny izy ame mpanora-dalàgny, nagnibitry mafy an'Azy.
11
Heroda izy ame miaramilany nanevateva an'i Jesosy sady nagnesoeso an'Azy. Avy teo da nampitafindreo lamba tsara tarehy Izy da napodindreo tamin'i Pilato.
12
Fa i Heroda Izy am'i Pilato da lasa mpinamagny tamin'io andro io (talohan'io indreo da mpifahavalo).
13
Aveo i Pilato da nangaiky e lohan'e mpisorigny izy ame mpanapaky sady gne fokonolo maro niaraky,
14
sady nizaka tamindreo hoe: "nidesinareo taminà ity lelà ity akô gne lelà izay mitariky gn'olo hagnano ratsy, sady iteo, iao, raha nametra-pagnotaniagny tamin'Azy tagnatrehanareo, da tsy mahita fahadisoagny amin'ity lelà ity mahakasiky gne raha izay hagnobiranareo an'Azy.
15
Tsia, ndre da Heroda azaky, satria nalefany nipody taty amintsika Izy, sady iteo, tsisy ndre ino ndre ino izay magneva fahafatesagny vitany.
16
Noho izany da ho vignirako Izy, sady ho havosotriko izy."
17
[Fagnamarihagny: Gne fandikagny tsara indrindra da tsy magnisy gne andininy faha 17 hoe: Sady Pilato da voatery namosotry gadra raiky ho an'e Jiosy tamin'e andro firavoravoagny.]
18
Fa niara-nitireo mafy indreo, nagnano hoe: "Indeso agny io lelà io, sady avotsory ho anay i Barabasy!"
19
Barabasy da lelà raiky izay naiditry am-ponja nohon'e fikomiagny maro t'an-tanàgny izy ame famonoagn'olo.
20
Sady nizaka tamindreo indraiky i Pilato, nagniry gne hamosotry an'i Jesosy.
21
F'izy naresaky mafy indreo, nizaka hoe: "Fatsio Izy e, fatsio Izy e."
22
Nizaka tamindreo fagnitelony izy hoe: "nagnino, fa ino gne ratsy vitan'ity lelà ity? tsy nahita ndre ino ndre ino izay magneva sazy famonoagny tamin'Azy iao. Noho izany refa avy magnafay an'Azy, da hamotsotry an'Azy iao."
23
Fa indreo nagnizingizigny tamin'e feo mafy, nangataky an'Azy mba hofatsiagny. Gne feondreo da nandresy lahatry an'i Pilato.
24
Ka da nanapa-kevitry gne hagneky gne fangatahandreo i Pilato.
25
Navotsotriny gne raiky nangatahindreo izay nalefa tagny am-ponja nohon'e fikomiagny sy famonoagn'olo. Fa nomeny ho ame sitrapondreo i Jesosy.
26
Sady t'am-pidesagny an'Azy indreo, da nizaka an'i Simona avy agny Syrenia, izay avy agny ambanivolo, sady napetrikindreo tamin'Azy gne hazofijaliagny mba hidesiny, nagnaraky an'i Jesosy.
27
Maro tamin'e fokonolo, izy amin'e viavy izay nalahelo mafy sy nisaogny an'Azy, gne nagnaraky an'Azy.
28
Fa refa nitodiky tagny amindreo i Jesosy, da nizaka hoe: "Ry zanakavavin'i Jerosalema, ka mitomagny Anà, fa mitomagnia gne tegnanareo izy ame zanakareo.
29
Fa indro, ho avy gne andro izay hizakanandreo hoe: "Sambatry gne momba izy ame troky izay tsy niteraky, sady gne nono izy tsy nampinono zaza."
30
Sady da hanomboky hizaka amin'e tendrombohitry indreo hoe: "Milatsa aminay," sady ame havoagny hoe: "Mandrakòfa anay."
31
Fa raha magnano an'izany raha izany indreo raha mbola maitso gne kakazo, ino gne hibôky refa maigny izany?"
32
Nisy lelà roy hafa, olon-dratsy, nindesigny niaraky tamin'Azy mba ho vonoigny.
33
Refa avy tamin'e toeragny raiky izay angiagny hoe "IKarandoha" indreo, da teo gne namatsiandreo an'Azy, izy ame olon-dratsy_ gne raiky tamin'e ankavanany da gne raiky koa tamin'e ankaviany.
34
Jesosy nizaka hoe: "Ray ô, mamela andreo, fa tsy fantatr'indreo izay anindreo." Avy eo da niloka indreo, nizarazara gne fisikinany.
35
Da nitsangagny nagnety teo gn'olo raha mbola nagnabarabara an'Azy koa gne mpanapaky, nizaka hoe: "Nagnavotry gne hafa Izy. Apetray Izy hagnavotry gne tegnany, raha Izy gne Kristin'Andriamanitry, gne raiky voafidy."
36
Gne miaramila avakoa da nangalabaraka an'Azy, nagnatogny an'Azy, nagnome an'Azy vinaingitra,
37
sady nizaka hoe: "Raha Anao gne mpanjakan'e Jiosy, vonjeo gne tegnanao."
38
Nisy famantaragny avakoa tamboniny hoe: "Ity gne mpanjakan'e Jiosy."
39
Gne raiky tamin'e olon-dratsy izay nihantogny teo gne nagnano tsisy dikany an'Azy tamin'e nizakany hoe: "Tsy anao me gne Kristy? Vonjeo gne tegnanao da anay avakoa."
40
Fa gne raiky nizaka mafy an'azy, nagnano hoe: "Tsy mba matohotry an'Andriamanitry me anao, raha samy ambanin'e fagnameloagny mitovy avao?
41
Itsika etoa da ara-drariny tokôtry, satria mandray gne valiny gn'asantsika itsika. Fa ity lelà ity tsy nagnano raha ratsy."
42
Avy eo izy nizaka hoe: "Jesosy ô, tadidio iao refa avy agny ame fanjakanao anao."
43
Jesosy nizaka tamin'azy hoe: "Zakaiko marigny aminao, fa androany anao da hiaraky Aminà agny ame paradisa."
44
Sady tame lera faha-enina teo ho eo tamin'izany, da gne aizigny avy da nandrakotry gne tany agnaby hatramin'e lera fahasivy
45
raha nemaizigny gne hazavan'e masoandro. Avy eo gne lamban'e fiangonagny da trivatry t'ategnategnany teo.
46
Nitoreo mafy Jesosy, ka nizaka hoe: "Ray ô, andragnonao gne ametrahako gne fagnahiko." Refa avy nizaka izany Izy, da maty.
47
Refa hitan'e kapiteny gne raha nibôky, da nagnome voninahitry an'Andriamanitry izy, nizaka hoe: "Azo antoky tokôtry fa olo-marigny ity lelà ity."
48
Refa hitan'e fokonolo agnaby izay niarak'avy ho vavolombelogny nahita maso gne raha nibôky io, da nipody niteha-tratra indreo.
49
Fa gn'olo agnaby izay nahafantatry an'Azy, izy amin'e viavy izay nagnaraky an'Azy avy agny Galilia, da nitsangagny tegny alavidavitry tegny, nagnety izany raha izany.
50
Sady indro, nisy lelà raiky angiagny hoe Josefa, izay mpikambagny tamin'e Synedriona. Olo tsara sady marigny izy.
51
Io lelà io da tsy nagneky gne fanapahan-kevitry gne Synedriona izy ame asandreo. Avy agny ame tanàgnin'e Jodiana tagny Armatia izy; sady izy da nitady gne fanjakan'Andriamanitry.
52
Io lelà io, raha nagnatogny an'i Pilato, da nangataky gne vatan'i Jesosy.
53
Nidesiny nidigny izany, norakofany hariry madiniky, sady napetrany t'agnaty kibory raiky izay novakiagny tame vatolampy, izay tsy mbola nisy olo nalevigny mihitsy.
54
Andron'e Fiomanagny tamin'izany, sady mbola nazava ratsy gne Sabata.
55
Gne viavy, izay niaraky tamin'i Jesosy niala tao Galilia, da nagnaraky avy ao afarany sady nahita gne kibory izy ame fomba nametrahagny gne fatiny.
56
Nipody indreo, sady nagnomagny raha ma-magnitry sy menaky magnitry. Sady tame sabata da nizanogny indreo araky gne didy.
Chapter 24
1
Vao mandraigny be tame andro voalohan'e herignandro, da nandeha ame kibory indreo, ninday raha magnitry izay nokarakaraindreo.
2
Hitandreo nikisaky lavitry e fasagny e vato.
3
Niditry tao indreo, F'izy tsy nahita gne vatan'e Tompo Jesosy.
4
Da, raha mbola sahiran-tsaigny amin'izany indreo, tampotapoky teo, da nisy lelà roy nagnano fitafiagny mamirapiratry nitsangagny t'agnilandreo.
5
Sady refa nalia be ireo viavy ireo da nandohaliky? Tame tany, mizaka tamin'io viavy io indreo hoe: "Nagnino anareo raha mitady e velogny ame misy e maty aty?
6
Tsy atoa izy, fa efa natsangagny! Tadidio gne raha nizakàniny anareo tamin'Azy mbola tagny Galilia,
7
nagnambara fa e Zanak'Olo da tsy maintsy homegny ho eo an-tagnan'e olo mpanota da hofantsihagny ame hazo fijaliagny, sady ame andro fahatelo da hitsangagny indraiky."
8
Io viavy io da nahatadidy e zakany,
9
da lasa nipody avy lat'ame kibory sady nizaka an'izany raha agnaby izany hitandreo tamin'e raiky ambin'e folo izy ame ambiny agnaby.
10
Sady Mary Magdalena, Johana, Mary endrin'i Jakoba, da e viavy hafa niaraky tamin'azy da samby nitantara an'izany raha hitandreo zany tamin'e apostoly.
11
Fa izany hafatry izany da akô e tsy nisy dikany tamin'e apostoly, ka tsy nino e zakan'io viavy io indreo.
12
F'izy nitsangagny Petera, da nihazakazaky nandeha tame kibory tagny, sady niondriky sy nagnety tao izy, da nahita e lambam-paty nitokagny. Da lasa Petera nody t'andragnony, nagnotany tegna tame raha nibôky.
13
Tamin'io andro io, e roy tamindreo nandeha ho ame tanàgny angiagny hoe Emaosy, izay enimpolo stadio miala an'i Jerosalema.
14
Indreo da nikoragny mikasiky e raha agnaby izay nibôky.
15
Sady, raha niara-nikoragny sy niara-nametra-pagnontaniagny indreo, da nagnatogny sady nandeha niaraky tamindreo Jesosy.
16
Fa e masondreo da nosakanagny mba tsy hahafantatry an'Azy.
17
Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Ino e koragninareo roy an-dalagny ety sa?" Da nijanogny indreo sady nalahelo endriky.
19
Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Ino izany Raha izany sa?" Da novaliandreo hoe: "E raha mikasiky an'i Jesosy gne Nazarena, izay mpaminany, nahery tame asa sy gne zaka teo agnatrehan'Andriamanitry izy ame olo agnaby,
20
sady gne fomba nagnoloran'e lohan'e mpisorogny sy gne mpanapaky an'Azy mba ho vonoigny ho faty izy ame namantsihagny an'Azy tame hazo fijaliagny.
21
F'izy iay nagnantegna fa Izy e hagnafaky an'Israely. Eka, da ankoatran'izany raha agnaby izany, telo andro androany izao e nampisy an'izany raha agnaby izany.
22
Nefa koa, e viavy sasany tame namanay da nahagaga anay, izay tagny ame kibory tagny vo-mandraigny.
23
Refa tsy nahita e vatany indreo, da avy da, nizaka fa indreo koa da nahita fahitagny anjely izay nizaka fa velogny Izy.
24
Da gne lelà sasany izay niaraky taminay da nandeha tagny ame kibory tagny, sady nahita an'izany araky izay nozakain'e viavy io avakoa. F'izy tsy nahita an'Azy indreo."
25
Jesosy nizaka tamindreo: "E lelà mola sady votsa saigny tsy mino e voazakan'e mpaminany!
26
Tsy nilaigny ho an'i Kristy me gne nijaly tamin'iregny raha iregny, ka hiditry agny ame voninahitriny?"
27
Sady nanomboky tamin'i Mosesy hatramin'e mpaminany agnaby, gne nadikan'i Jesosy ao ame Soratry Masigny e momba e Tegnany tamindreo.
28
Da refa nagnakaiky e tanàgny izay nandianandreo indreo, da magnabôky akô gne hoe handeha lavidavitry Jesosy.
29
Fa nandetry an'Azy indreo, nizaka hoe: "Mijanogna aminay etoa eky, fa efa ho hariva sady efa hifaragny gn'andro." Ka niditry, mba hijanogny niaraky tamindreo teo Jesosy.
30
Sady, refa nipetraky mba hiaraky hihinagny tamindreo Izy, da nangala mofo, nisaotry, sady nanapakan'izany, sady nagnome an'izany andreo.
31
Avy eo nisokatry e masondreo, ka nahafantatry an'Azy, sady nanjavogny t'amasondreo teo Izy.
32
Nifampizaka indreo hoe: "Raha nizaka tamintsika t'andalagny tegny Izy, sady raha nanokatry e Soratry Masigny tamintsika Izy, tsy niredareda tamintsika me gne fotsika?"
33
Nitsangagny indreo tamin'io lera io, da nipody ta Jerosalema. Nahita e raiky amby folo niara-nivory indreo, izy ame olo niaraky tamindreo,
34
nizaka hoe: "Da nitsangagny tokôtry e Tompo, sady nobôky tamin'i Simona."
35
Da nozakaindreo e raha nisy t'an-dalagny, izy ame fomba nibôhan'i Jesosy tamindreo tame fanapahagny e mofo.
36
Raha nizaka izany raha izany indreo, da nitsangagny t'antegnategnandreo teo Jesosy vatany, da nizaka tamindreo hoe: "Fiadanagny anie ho anareo."
37
F'izy taitry sady angoaigny indreo, da nieritreritry sao de fagnahy e hitandreo.
38
Da hoy i Jesosy tamindreo: "Nagnino anareo da malia sa? Nagnino da misy fagnontaniagny am-ponareo?
39
Iteo gne tagnako izy ame tongotriko, fa Iao tokôtry ity. Kasiho Iao da iteo. Fa gne fagnahy tsy managny nofotry izy ame tola, araky gne ahitanareo Anà hoe managny.
40
Refa nizaka an'izany Izy, da nabôkiny tamindreo e tagnany izy ame tongotriny.
41
Mbola tsy nino an'izany indreo nohon'e hafaliagny, sady gaga indreo. Da nizaka andreo Jesosy hoe: "Managny raha hohanigny me anareo?"
42
Nomendreo laok'andrano voatono izy,
43
da nalainy izany sady nohaniny t'amasondreo teo.
44
Da nizaka tamindreo Izy hoe: "Taminà niaraky taminareo, da nizaka taminareo fa izay voasoratry tame lalàn'i Mosesy sy gne mpaminany sady gne Salamo da tsy maintsy ho tanteraky."
45
Da nosokany e saindreo, mba hazaoandreo e Soratry Masigny.
46
Nizaka andreo Izy hoe: "Izao e voasoratry, fa i Kristy da hijaly, da hitsangagny ame maty indraiky ame andro fahatelo.
47
Fibebahagny izy ame famelan-keloky e tokony ho torigny ame agnarany agny ame firenena agnaby, manomboky ao Jerosalema.
48
Anareo gne vavolombelon'iregny raha iregny.
49
Indro, halefako aminareo izay nampagnantegnain'i Abako. F'izy mipetrà ao an-tanàgny mandra-panagnanareo hery avy latagny ambony."
50
Da Jesosy nitariky andreo mandra-piavisandreo tagny Betania. Nasandratriny e tagnany, da notahiany indreo.
51
Sady, refa nitso-drano andreo Izy, da niala andreo Izy sady lasa nakarigny tagny an-dagnitry.
52
Da nidera an'Azy indreo, sady nipody tagny Jerosalema tam-pifaliam-be.
53
Nitohy nankagny ame fiangonagny indreo, nankalaza an'Andriamanitry.
Romans
Chapter 1
1
Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, da vôfidy ho apôstôly, ary vôtokagny ho mpitory gne filazantsaran'Andriamanitry.
2
Io gne filazantsara efa nampanantenainy mialoha tame alalagn'e mpaminany tame Soratry Masina.
3
Izany da momba gne Zanany lelà, zay teraky avy tame taranak'i Davida araky gne nofo.
4
Tame fitsanganagny tame maty, da vôzaka ho e Zanaky maherin'Andriamanitry tame herin'e fahamasinagny Izy_ da Jesosy Kristy Tompontsika.
5
Tame alalan'e nazahoantsika fahasoavagny sy gne maha-apôtstôly ame fankatoavagny gne finoagny ame firenegny maro be, nohon'e agnarany.
6
Am'ireo firenegny ireo, anareo koa da vôantso ho an'i Jesosy Kristy.
7
Ity takelaky taratasy ity da ho andreo ao Roma, izay malalan'Andriamanitry, izay vôantso ho olo-masina. Ho aminareo gne fahasoavagny, sy gne fiadanagny avy amin'Andriamanitry Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
8
Vôlohany, isaorako gne Andriamanitriko amign'e alalan'i Jesosy Kristy nohon' gn'aminareo marobe, satria gne finoanareo da efa nambara nagneragny izao tontolo zao.
9
Fa Andriamanitry gne vavolombeloko, izay tompoiko ame fagnàhiko ao ame filazantsaranin'e Zanany, fa tsy mijanogny mizaka anareo amin'Azy Iao.
10
Mangataky fezay iao ame vavaky aniko gne mba ahombiazako ame fomba marobe araky gne sitrapon'Andriamanitry mba ho avy aminareo.
11
Fa iao da magniry gn'ahita anareo, mba ahafahako magnome fagnomezam-panahy sasasasany ho anareo, mba hampahery anareo.
12
Izany, da magniry iao gny mba hifankaherezantsika eto afovoantsika, ame alalan'e finoan'e kiraikiraiky aby, gn'anareo sy gn'anà.
13
Amizao fotoagny izao tsy tiako anareo tsy ahafantatry, ry ralà, hoe matetiky iao gne managny fikasagny hagnatogny anareo, (nefa iao da vôsakagny mandrak'androany), mba azoagny vokatry aminareo,ako gne nazahoako gne ambin'e Jentilisa avao koa.
14
Iao da mpitrosa ame Grika sy gne vahiny, ame hendry sy gne mola.
15
Noho izany, aminà, da vonogny avao koa iao hitory gne filazantsara ho anareo agny Roma.
16
Fa iao da tsy megnatry ame filazantsara, fa izany gne herin'Andriamanitry ho famomjegny ane olo mino aby, ho an'e Jiosy da ho an'e Grika.
17
Fa amizany gn'anehoan'e fahamarinagn'Andriamanitry avy ame finoagny ho ame finoagny, arak'izay vôsoratry hoe: "Gne marigny da ho velogny ame finoagny."
18
Fa gne fahavigniran'Andriamanitry da nabôky avy tan-dagnitry manohitry gne haratsiam-panahy sy gne tsy fahamarinan'e olo, izay manakagny gne fahamarinagny ame alalan'e tsy fahamarinagny.
19
Izany da satria izay fantatry momban'Andriamanitry da hitan-dreo maso. Fa nohazavain'Andriamanitry indreo.
20
Fa gn'endrikiny izay tsy hita maso, izay hery tsy misy fetry sy maha Andriamanitry an'Azy, da hita mazava tsara, nanomboky tame famoronagny izao tontolo zao, tame raha zay noforonigny. Noho izany, da tsy managny fialan-tsigny indreo.
21
Izany da satria , ndre da efa nahalala gne momba an'Andriamanitry aza indreo, da tsy nagnome voninahitry gne maha Andriamanitry an'Azy, na koa nisaotry an'Azy. F'izy, lasa very fagnahy indreo, da nihamity gne fo mafin-dreo.
22
Indreo da nizaka an-dreo ho hendry, kanefa niha-mola.
23
Gne voninahitr'Andriamanitry tsy mety lo da natakalon-dreo sarin'endrik'olombelo mety lo, vorogny, biby manan-tomboky efatry, sy gne raha mikisaky.
24
Noho izany da natolotr'Andriamanitry ho ame filàn'e fon-dreo ho ame fahalotoan-dreo, mba ho afa- boninahitry eo amin-dreo avao gne tegnan-dreo.
25
Indreo gne nanakalo gne fahamarinagn'Andriamanitry tame vandy, ary izay midera sy manompo gne zava-boary fa tsy e Nahary, izay deraigny mandrakizay. Amena.
26
Noho izany, natolotr'Andriamanitry ho ame filàn-dratsy mamoafady indreo, fa ireo viavy ireo da nanakalo gne fifandraisagny voajanahary tamin'e tsy voajanahary.
27
Akoizany koa, e lelà da nametraky gne fifandraisan-dreo voajanahary miarak'ame viavy ka nampiretin'e filàgny ara nofo ho andreo samby indreo. Ireo da e lelà nagnano fihetsiky mahamegnatry miaraky ame lelà ary nangalaky tamin-dreo gne sazy zay mendriky andreo noho gne fahavetavetan-dreo.
28
Satria tsy nagneky gne hanagny an'Andriamanitry ao ame fieritreretany indreo, da nomeny saigny tsy mendriky indreo, mba hagnamboaragny ireo raha tsy mety.
29
Indreo da feno gne tsy fahamarinagny, faharatsiagny, fitsiriritagny, sady lolom-po. Indreo da feno fialonagny, famonoagny, fifamaligny, fitaky, sady fikasagny ratsy.
30
Indreo da mpifosa, mpagnibitry, sady mpalaigny an'Andriamanitry. Indreo da mahery setra, miavogny, sady mieboebo. Indreo da mpamorogny raha ratsy, sady indreo koa da tsy magnaraky gne zakan'e ray aman-dreniny.
31
Indreo da tsy managny fahalalagny; Indreo da tsy azo itokisagny, tsy misy fitiavagny voajanahary, sady tsy mamindra fo.
32
Hain-dreo gne lalàn'Andriamanitry, fa indreo nagnano raha akoizany da mendriky gne fahafatesagny. Fa tsy io raha io avao gne anigny, fa magneky gne hafa izay magnano an'io koa.
Chapter 2
1
Noho izany da tsy managny felatsigny anao, re olo, anao izay mitsara, izay hitsaranao gne hafa gn'agnamelohanao gne tegnanao. Fa ndre anao izay mitsara io da magnano an'io avakoa.
2
Nefa lalatsika fa gne fitsaran'Andriamanitry da araky gne marigny refa miatreky amizay magnano raha ako izany
3
Fa diniho izao, re olo, anao zay mitsara andreo magnano raha ako io ndre da magnano ako izany avakoa anao. Hainao hilefasagny gne fitsaran'Andriamanitry sa ?
4
Sa ho hamevagninao gn'haregnin'e hatsaram-pagnahany, gne fandeferany, da gne faharetany? Tsy lalanao sa fa gn'hatsaram-pagnahiny da natao hitariky anao ame fibebahagny?
5
Fa izany da ho ame hazakabe gne hamafy izy ame fibebahan'e fonareo gne andagnonanareo havigniragny ho an'e gn'ainareo amign'andro fahavigniragny, izany da, gne andro fagnaboagny gne fitsaragny marin'Andriamanitry.
6
Hamaly gn'olo rehetra ame fatra mitovy amin'izany natao izy:
7
hagnome arake gne faharetagny, gne asa tsara mitady dera, voninahitry, gne tsy fahafatesagny, fiainagny mandrakizay izy.
8
Fa ho andreo izay mitady ho an'e tegnany, izay tsy magneky gne marigny fa magneky gne tsy fahamarinagny, da ho avy gna fahavigniragny izy ame gne fahaseagny.
9
Andriamanitry da hinday fahoriagny sy fahantragny ame fagnan'e olo rehetra nagnano ratsy, ame Jiosy eky, sady ame Grika avakoa.
10
Fa dera, laza, sady fedanagny gne ho avy amindreo zay magnano gne tsara, ame Jiosy eky, sady ame Grika avakoa.
11
Fa tsy misy fiangaragny miaraky amin'Andriamanitry.
12
Fa izay rehetra nanota tsy nanagny gne lalàgny da ho very tsy managny lalàgny avakoa, sady izay rehetra nanota niaraky tamin'e lalàgny da ho tsaraigny araky gne lalàgny.
13
Fa tsy izay mparegny lalàgny gne marigny eo ankatrefan'Andriamanitry, fa zay magnatanteraky gne lalàgny gne nohamarignigny.
14
Fa indreo Jentilisa, izay tsy managny gne lalàgny, refa magnano gne raha momban'e lalàgny araky gne voajagnahary,da indreo gne lalàgny ho an'e tegnany, ndre da tsy managny gne lalàgny aza indreo.
15
Amizany gne agnaboan-dreo fa gne asa angatahan'e lalàgny da voasoratry ao am-pon-dreo. Gne fieritreretan-dreo avakoa da vavolombelogny ho andreo, sady gne fisaignin-dreo manokagny da gne magnameloky na miaro andreo ame tegnan-dreo.
16
Sady koa amin'Andriamanitry. izany da hibôky ame andro hitsaran'Andriamanitry gne tsiambaratelon'e olo agnaby, araky gne filazantsarako, ame alalan'i Jesosy Kristy.
17
Fa ndre da Jiosy gne hagnatsovanao gne tegnanao sady miankigny ame lalàgny sy mirehareha ao amin'Andriamanitry,
18
sady mahalala gne sitra-pony sy mamantatry izay raha tena tsara satria nampenarigny tame lalàgny anao;
19
sady raha resy lahatry anao fa gne tegnanao da mpitariky gne jamba, fahazavagny ho an'izay ao ame mizigny,
20
mpagnitsy gne mola, mpampianatry gne zaza madiniky, sady anagnanao ao ame lalàgny gne endriky gne fahalalagny izy ame marigny, da akognaia zany gne fetraikan'izany ame fomba hiaignanao gne fiaignanao?
21
Sady anao izay mampianatry gne sasany, tsy mampianatry gne tegnanao me anao? Anao izay mitory manohitry gne halatry, mangalatry me anao?
22
Anao izay mizaka fa tsy tokony hijangajanga, mijangajanga me anao? Anao izay malaigny gne sampy, mandroba gne fiangonagny me anao?
23
Anao izay faly mirehareha ao ame lalàgny, mangala-baraka an'Andriamanitry me anao amin'io fandikanao gne lalàgny io?
24
Fa "gne agnaran'Andriamanitry da efa afa-baraka teo amin-dreo Jentilisa noho anareo," araky izay efa voasoratry.
25
Fa mahazo tombony ame famoragny tokôtry anareo raha ohatra ka magneky gne lalàgny, fa raha mandika gne lalàgny anareo da lasa tsy voafora ndre da efa voafora aza anareo.
26
Arak'izany, raha olo tsy voafora gne mitandrigny zay takian'e lalàgny,da tsy ho anigny agnisan'e voafora zany izy ndre da tsy voafora aza?
27
Sady tsy ho helohin'e raiky izay tsy mifora ara-boajagnahary zany anareo raha toa ka mitandrigny gne lalàgny izy? Izany da satria managny gne lalàgny voasoratry izy ame famoragny anareo, nefa mbola mandika gne lalàgny!
28
Fa izy da tsy Jiosy amign'endriky ambadiky fotsiny; ndre amin'e famoragny izay miseho amign' endriky ambadiky e nofotry fotsiny.
29
Fa izy da Jiosy ao agnaty, sady gne famoragny izay an'e fo, ao ame fagnà, fa tsy ao amin'e soratry. Gne fideragny gn'olo ako izany da tsy avy amign'olo fa avy amin'Andriamanitry.
Chapter 3
1
Da ino me izany gne tombon-tsoa anagnan'e Jiosy? sady ino me gne tombon-tsoan' e famoràgny?
2
Tsisy maharatsy an'izany. Voalohany indrindra ,e Jiosy da nagnakinagny e fagnambaragny avy amin'Andriamanitry.
3
Fa nagnino me da tsy nanam-pinoagny e Jiosy sasany ?Gne tsy finoandreo me gne tsy hampanjary gne fahatokisan'Andriamanitry ?
4
Sagnatria an'izany .Kanefa, apetray ho hita fa marigny Andriamanitry, ndre da mpavandy agnaby gn'olo . Araky gne voasoratry hoe :"hambara ame zakanareo fa olo marigny anareo, da hambara refa avy ame fitsaragny anareo
5
Ino gne raha ho zakaintsika sa raha gne tsy fahamarignatsika gne magnabôky gne fahamarignan'Andriamanitry? Afaky mizaka me itsika fa tsy marigny Andriamanitry ame fagnaboagny gne havignirany amintsika, sa diso izany?
6
(Mampiasa lahatein'olombelogny iao.) Aladitr'e lela izany! Satria ame fomba akôgnaia me gne hitsaran'Andriamanitry an'izao tontolo izao io?
7
Nagnino me iao raha mbola anigny mpanota , raha gne fahamarignan'Andriamanitry gne magnome fideragny maro be ho an'Azy ame havandesako ?
8
Fa nagnino da tsy nizaka , ino gne raha nampisigny antsika, raha nanindreo diso gne raha nozakaintsika, sady hamafisin' e sasany koa fa nozakanintsika hoe : " Apetray iay hagnano ratsy , mba hevisan'e tsara"? Nahay andreo avao eky gne tsaraigny.
9
Da nagnino kaiky ? Magnome rariny gne tegnatsika me itsika? Da tsy izy an'izany. Fa itsika da efa nagnameloky gne jiosy izy ame grika , ka nagnano andreo ho mpanota agnaby
10
izany da araky gne voasoratry hoe : " Tsisy olo marigny , ndre raiky aza .
11
Tsisy mahafatatry ndre raiky aza . Tsisy mitadia an'Andriamanitry ndre raiky .
12
Da nikisaky agnaby indreo . Lasa tsisy ilàgny andreo agnaby . Tsisy mba magnano gne tsara , tsisy, ndre da raiky amindreo aza.
13
Gne tendandreo da kobory mivoha . Gne lelandreo da mamitaky . Gne poizin' e bibilava da ambanin' e molotr'indreo .
14
Gne vavandreo da feno ozogny sy halahelo.
15
Gne tombok'indreo da havanagny ame fandatsan-drà.
16
Gne fanimbagny sy gne fizaliagny da ame lalagny ahitagny andreo.
17
Ireo olo ireo da tsy nahalala gne lalan' e fiadanagny .
18
Tsy mba misy tahotry an' Andriamanitry nagnatriky andreo indreo.
!
19
Amin'izao fotoagny izao da fantatsika fa ndre ino ndre ino zakainign'e lalàgny , da miatraiky agny amindreo izay ambanin'e lalàgny. Izany da hampangigny gnevavan'olo tsiraidraiky, sady mba hazaoan'izao tontolo izao valiny avy amin'Andriamanitry.
20
Izany da satria tsisy nofotry hamarinigny ame asan' e lalàgny agnatrehany . ame gn'alalanign'e lalàgny gne hiavianign'e fahalalagny gne fahotagny.
21
Fa amin'izao fotoagny izao da nampahafantarigny avakoa gne fahamarignan'Andriamanitry tsy ame lalàgny. noporofoinign'e lalàgny sy gne mpaminagny ,
22
fa izany da fahamarignan'Andriamanitry ame gn'alalan'e finoagny an' i Jesosy Kristy ho an'e mino agnaby . Satria tsisy fagnavahagny.
23
Fa nanota agnaby gn'olo ka tsisy managny gne voninahitr'Andriamanitry ,
24
sady indreo da hamarignigny fotsipotsiny ame fahasoavagny azo ame fagnavotagny tamin'i Kristy Jesosy .
25
Fa Andriamanitry nagnome an'i Kristy Jesosy ho fagnatitry ame gn'alalnign'e finoagny gne ràny. Nomegny ho porofon'e fahamarignany i Kristy nohon'e tsy fagnitegny gne ota taloha tagny
26
ame faharetagny . nipotitry aby izany raha izany ho fampisehoagny gne fahamarignany amin'izao fotoagny izao . Izany da mba ahafahagny magnaporofo fa marigny gne tegnany ,sady mba hagnaboahagny fa Izy da magnamarigny gne raha agnaby nohon'e finoagny an'i Jesosy .
27
negnaia gne fireharehagny? Voafafa izany . Fa nagnino sa? sa ame gn'asa? Tsia , fa avy ame finoagny .
28
Manapa-kevitry an' izany itsika fa gn'olo raiky da hamarinigny araky gne finoagny tsisy gne asan'e lalàgny.
29
Sa Andriamanitry gne jiosy avao me gn'Andriamanitry?Sa tsy Andriamanitry gne Jentilisa avakoa Izy me? eka , an'e jentilisa avao koa .
30
Raha raiky tokoatry Andriamanitry , da hohamarinigny ame finoagny gne voafora , da gne tsy voafora kosa ame gn'alalan'e finoagny.
31
Foagnatsika ame gn'alalan'e finoagny me gne lalàgny? Sagnatria an'izany! Nefa magneky gne lalàgny itsika.
Chapter 4
1
Ino zany gne ho zakaintsika fa hitan'i Abrahama, raintsika tagny aloha araky gne nofo?
2
Fa raha nohamarignigny tamign'asa Abrahama, da nanagny antony hireharehagny izy, nefa tsy eo agnatrehan'Andriamanitry.
3
Fa ino gn'ambaran'e Soratry Masigny? " Abrahama da nino an'Andriamanitry, sady nisaigny ho fahamarinagny izany."
4
Sady ho an'izay miasa, gne karamany da tsy isaigny ho fahasoavagny, fa ho ako gne trosa.
5
Fa ho an'izay tsy miasa kosa kanefa mino an'e raiky izay magnamarigny gne mpanohitry an'Andriamanitry, da isaigny ho fahamarinagny gne finoany.
6
Davida avakoa da manognogny tso -drano amign'olo izay isain'Andriamanitry ho marigny nefa tsy miasa.
7
Hoy izy se:" sambatry indreo izay voavela gne helokiny, sady koa indreo izay voarakotry gne fahotagny.
8
Sambatry izay tsy hisain'ny Tompo heloky."
9
Amindreo voafara avao me gne hanognonagny izany tso-drano zany, sa amin-dreo tsy voafora koa? Fa hoy Itsika hoe:" Gne finoagny da nisain'Abrahama ho fahamarinagny."
10
Ka akognaia zany gne nagnisagny izany? Tamin' i Abrahama efa voafora, sa tamin'izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'azy efa voafora fa tamin'azy mbola tsy voafora.
11
Abrahama da nandray gne famantaragny ne famoràgny. Izany da mariky gne fahamarignan'e finoagny izay efa nanagnany raha mbola tsy voafora izy. Gne valin'izany famantaragny zany da lasa Iaban'izay mino agnaby izy, ndre da mbola tsy voafora aza indreo. Midika izany fa gne fahamarinagny da ho isaigny ho andreo.
12
Nidika koa izany fa Abrahama da lasa Aban'e voafora tsy ho andreo izay voafora raiky avao fa ho andreo izay magnaraky gne dian'e finoan'i Abrahama raintsika avakoa talohan'e tsy mbola naha-voafora anazy.
13
Fa gne fampagnatenagny tamin'i Abrahama izy ame taranakiny fa ho mpadova izao tontolo izao izy da tsy avy amign'alalan'e lalàgny fa avy amign'alalan'e fahamarignan'e finoagny.
14
Fa raha indreo izay miaigny amin'e lalàgny gne mpandova, da ho foagny gne finoagny, sady tsinotsinona gne fampagnatenagny.
15
Satria gne didy da mitondra amin'e fahavigniragny, fa agny amin'izay tsy misy lalàgny, da tsy misy fandikan-dalàgny.
16
Noho izany antony zany da miseho ame finoagny izany, mba hipetrahan'e fampagnatenagny ame fahasoavagny sady ho azo antoky amindreo taranak'i Abrahama agnaby_tsy ho andreo izay ambanin'e lalàgny avao, fa ho andreo izay mizara gne finoan'i Abrahama avakoa. Abatsika agnaby izy,
17
araky gne voasoratry hoe:" Naniko ho aban'e firenegny maro anao." Teo amin'e fagnatrehagn'Izay nitokian'i Abrahama, da, Andriamanitry izany, izay magnome fiainagny gne maty sady mangaiky gne raha tsy mbola misy mba hisy.
18
Ndre da teo aza gne raha-mitranga ambadiky, da natoky tanteraky an'Andriamanitry i Abrahama amin'e ho avy. Da lasa rain'e firenena maro izy, arak'izay efa voazaka hoe:" Ho ako izany gne taranakao."
19
Tsy narefo tame finoagny izy. Fantatr'i Abrahama fa tsy afaky gne hanan-janaky izy (satria efa teo amin'e zato taogny teo izy). Nagneky avakoa izy fa gne trokin'i Saraha da tsy afaky gne hitondra vohoka mihintsy.
20
Kanefa noho gne fampagnantenan' Andriamanitry, da tsy nisalasala tamin'e tsy finoagny i Abrahama. Kanefa, ne-nahery tamin'e finoagny izy sady nidera an'Andriamanitry.
21
Resy lahatry tanteraky izy fa izay nampagnantenain'Andriamanitry, da afaky tanterahigny avakoa.
22
Noho izany da nisaigny ho anazy ho fahamarinagny izany.
23
Ary da tsy nosoratagny ho an'e tombotsoany raiky avao izany, fa nisaigny ho anazy izany.
24
Nosoratagny ho antsika avakoa zany, ho an'izay hanisagny izany, Itsika izay mino Anazy izay nanangagny an'i Jesosy Tompotsika tamin'e maty.
25
Izy gne raiky natolotry noho gne fahotantsika sady natsangagny mba hagnamarigny antsika.
Chapter 5
1
Satria nohamarinigny tamin'e finoagny Itsika, da managny fiadanagny miaraky amin'Andriamanitra amign'alalan'ny tompontsika Jesosy Kristy.
2
Amign'alalany avakoa gnanantsika lalagny amin'e finoagny mandeha amin'izany fahasoavagny izay itsanganantsika izany. Miravoravo amin'e fatokiagny omen'Andriamanitra anay ame ho avy iay.Fahatokiagny izay ho zaraintsika amin'e voninahitr'Andriamanitry.
3
Tsy izany avao , fa Itsika avakoa da mifaly amign'alahelontsika. Lalantsika fa gne alahelo da mamokatry faharetagny.
4
E faharetagny miteraky fagnekegny, da gne fagnekegny miteraky fahatokiagny ho amin'e ho avy.
5
Izany toky izany da tsy mandiso fagnantenagny, satria gne fitiavan'Andriamanitry da efa narotsaky tao am-pontsika tamign'alalan'e Fanahy Masina, izay nomegny antsika.
6
Fa ra mbola nalemy Itsika, da maty ara-potoagny ho an'e ratsy fagnà Kristy.
7
Fa sarotry ho an'olo raiky gne ho faty ho an'olo-marigny. Fa, angamba mety misy olo raiky ho sahy ho faty ho an'olo tsara.
8
Fa Andriamanitry magnaboaky fitiavagny manokagny ho antsika, satria ra mbola mpanota Itsika da maty ho antsika Kristy.
9
Mihoatry noho izany aza, amin'zao andro zao. Refa nohamarinigny tamin'e ràny Itsika, da ho voavonjin'izany amin'e fahavigniran'Andriamanitry.
10
Fa raha, mbola fahavalo Itsika, da nihavagny tamin' Andriamanitry tamign'alalan'e fahafatesan'e Zanany, sady mihoatry noho izany, refa avy nampihavagnigny, da voavonjy amign'alalan'e ainy Itsika.
11
Da tsy zany avao, fa Itsika avakoa da mifaly amin'Andriamanitry amign'alalan'i Tompontsika Jesosy Kristy, izay nazahoantsika izany fihavanagny izany amizao.
12
Noho izany da, ako gne nidiran'e ota tamign'olo raiky tamizao tontolo izao, da ako izany avakoa gne nidiran'e fahafatesagny tamign'alalan'e ota. Sady gne fahafatesagny da niely tamign'olo agnaby, satria samy nanota agnaby gne rehetra.
13
Nandrapisian'e lalàgny, da tetoa amin'izao tontolo izao gne ota, fa tsy misy fagnisan-keloka ra tsy misy lalàgny.
14
Ndre da izany aza, gne fahafatesagny da nanjaka nanomboky tamin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, ndre da tamindreo tsy nanota ako gne tsy fagneken'i Adama aza, da tandindon'Izay ho avy.
15
Ndre da izany aza, gne fagnomezagny da tsy ako gne fahadisoagny. Fa raha tamign'alalan'e fahadisoan'e raiky gne nahafaty gne maro, da mihoatry lavitry gne nanin'e fahasoavan'Andriamanitry Izy ame fagnomezagny avy amin'e fahasoavan'olo raiky, Jesosy Kristy, nomegny zakabe ho an'e maro.
16
Gne fagnomezagny da tsy ako gne vokatry avy amin'e raiky izay nanota. Fa amin'e lafiny raiky, avy gne fitsaragny ho fagnameloagny nohon'e fahadisoan'olo raiky. Fa amin'e lafiny raiky hafa, gne fagnomezagny miafara amin'e fagnamarinagny da avy tafaran'e fahadisoagny maro.
17
Fa raha, tamign'alalan'e fahadisoan'e raiky, gne hanjakan'e fahafatesagny amin'e raiky, da mihoatry lavitry noho izany gne hanjakandreo izay mandray gnaben'e fahasoavagny Izy ame fagnomezan'e fahamarinagny amign'alalan'e fiainagn'e raiky, da i Jesosy Kristy.
18
noho izany da, satria tamign'alalan'e fahadisoan'e raiky gne nahavy gn'olo ho amin'e fagnamelohagny, da amign'alalan'e asan'e fahamarinan'e raiky avakoa gn'evian'e fagnamarinagny gne fiainagny ho an'olo agnaby.
19
Fa satria avy amin'e tsy fagneken'olo raiky gne nahavy gne maro ho mpanota, da amign'alalan'e fagneken'e raiky avakoa gne hahavy gne maro ho marigny.
20
Fa avy tao amin'izany gne lalàgny, mba ho zakabe gne fahadisoagny. Nefa raha nihazakabe gne fahotagny, da vao maiky nihazakabe gne fahasoavagny.
21
Niboaky izany mba, ako gne nanjakan'e fahotagny tamin'e fahafatesagny, da ako izany koa e hanjakan'e fahasoavagny amign'alalan'e fahamarinagny ho amin'e fiainagny mandrakizay amign'alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Chapter 6
1
Ino zany gne hozakaintsika? tokony hanohy amin'e fahotagny zany Itsika mba hitomboan'e fahasoavagny ?
2
Tsy hisy mihintsy anie izany. Itsika izay maty gne amin'e ota, amin'e fomba akognaia sa gne mbola hiaignatsika amizany koa?
3
Tsy lalanareo me fa indreo rehetra nanigny batisa tao amin'i Kristy Jesosy da nanigny batisa tao amin'e fahafatesagny?
4
Koa, voalevigny, niaraky taminazy tamign'alalan'e batisa ho amin'e fahafatesagny Itsika .Nitranga izany mba ho ako gne nananganagny an'i Kristy tamin'e maty tamin'e voninahitry gne Ray, gne andeanantsika amin'e fiainagny vaovao avakoa.
5
Fa raha mikambagny Amin'azy amign'endriky gne fahafatesagny Itsika ,da hikambagny amin'e fitsanganagny avakoa.
6
Lalantsika izany , fa gne tegnantsika taloha da nofantsihagny niaraky taminazy, mba hamotehagny gne tegnan'e ota. Nitranga izany mba tsy ho andevozin' e ota sanaky Itsika.
7
Izy efa maty da nambara fa marigny sady afaky amin'e fahotagny .
8
Fa raha maty niaraky tamin'i Kristy Itsika, da mino fa hiara_belogny Aminazy avakoa.
9
Itsika da mahalala fa nitsangagny tamin'e maty Kristy , sady tsy maty sanaky Izy . Tsy manjaka Aminazy sanaky gne fahafatesagny.
10
Fa raha gne momba gne fahafatesagny da maty noho gne amin' e fahotagny Izy , maty indraiky avao ho an'e rehetra Izy. Kanefa, gne fiainagny izay hiainagny da iainagny ho an'Andriamanitry .
11
Da ako izany , tsy maintsy mihevitry gne tegnanareo ho efa maty amin'e fahotagny avakoa anareo, fa velogny ho an'Andriamanitry ao amin'i Kristy Jesosy .
12
Noho izany k'avela hanjaka ao amin'e tegnanareo mety maty gne ota mba hagnarahanareo gne filàn-dratsy.
13
K'atolotry ho an'e fahotagny gne ratsam-batanareo, ho fitaovagny ampiasaigny amin'e tsy fahamarinagny. Fa atolory ho an'Andriamanitry gne tegnanareo, ako gne nitsangagny tamin'e maty izay velogny amin'izao. Da atolory ho an'Andriamanitry gne ratsam-batanareo mba ho fitaovagny ampiasaigny amin'e fahamarinagny.
14
K'avela hanjaka aminareo gne ota. Satria tsy ambanin'e lalàgny anareo, fa ambanin'e fahasoavagny.
15
Da ino zany sa ? Tokony hanota zany Itsika satria tsy ambanin' e lalàgny , fa ambanin'e fahasoavagny? Tsy hisy mihintsy anie izay.
16
Tsy lalanareo me fa e raiky izay anoloranareo gne tegnanareo ho mpanompo da e raiky izay ho ekenareo, izay hany tsy maintsy ekenareo? Marigny izany ndre mpanompon' e fahotagny izay mitariky agny amin'e fahafatesagny anareo, ndre mpanompon'e fankatoavagny izay mitariky agny amin'e fahamarinagny .
17
Fa isaoragny Andriamanitry! Satria efa mpanompon'e fahotagny anareo, kanefa nankato tao am-ponareo gne fomba fampianaragny izay nomegny anareo .
18
Nafahagny tamin'e ota anareo, sady nanigny mpanompon'e fahamarinagny . .
19
Mizaka ako gn'olo iao noho gne fahalemen' e nofotrinareo. Satria vantany vao nanolotry gne ratsam-batanareo ho andevon'e fahalotoagny izy ame ratsy anareo, da ako izany koa izao , atolory ho andevon' e fahamarinagny ho amin'e fahamasinagny gne ratsam-batanareo.
20
Fa fony anareo andevon'e ota, da afaky tamin' e fahamarinagny.
21
Amin'izao , ino zany gne vokatry azonareo tamin'e raha izay mahamegnatry anareo amin'izao? satria gne vokatrin'io raha io da gne fahafatesagny .
22
Fa amin'izao refa nahafagny tamin'e ota anareo sady lasa mpanompon'Andriamanitry, da mijinja gne fahamasinagny. Gne vokatry da gne fiainagny mandrakizay.
23
Fa gne tambin'e ota da fahafatesagny, fa gne fagnomezan'Andriamanitry kosa da gne fiainagny mandrakizay ao amin'i kristy Jesosy Tompotsika.
Chapter 7
1
Sa tsy lalanareo, ôh ralahy(satria mizaka amign'olo mahay gne momba e lalàgny iao), fa gne lalàgny da mibeko gne olo raiky ra mbola velogny avao Izy?
2
Fa gne viavy zay manambady da voafatotrin'e lalàgny amin'e vadiny ra mbola velogny izy, fa ra maty gne vadiny, da afaky amin'e lalàgnan'e fanambadiagny Izy.
3
Nohon'izany, ra mbola velogny gne vadiny, ka miaraky amin'e lelahy hafa izy, da ho antsoigny hoe mpijangajanga izy. Fa ra maty gne vadiny, da afaky amin'e lalàgny izy, da tsy mpijangajanga izy ra ôtraky miaraky amina lela hafa.
4
Nohon'izany sa ralàhiko, da nanigny maty tamin'e lalàgny avakoa anareo tamign'alalan'e tegnan'i Kristy. Nanigny izany mba hikambananareo amign'afa, izany hoe, amin'izy zay natsangagny tamin'e maty, mba hafatsika magnome voa an'Andriamanitra.
5
Fa tamintsika tamin'e nofo, io filàn'e fahotagny io, zay nohetsen'e lalàgny, da niasa tamin'e ratsantsika mba hagnome voa ho an'e fahafatesagny.
6
Fa amin'izao fotoagny izao da nahafagny tamin'e lalàgny isika. Maty tame namehy antsika isika. Izany da mba hafahantsika manompo amin'e fahavoazam-pagnà, fa tsy amin'e fahanteran'e soratry.
7
Ino zany gne ho zakaintsika? Gne lalàgny mitsy zany gne fahotagny? tsy hisy mitsy an'zany. F'izy, tsy nahalala gne fahotagny mitsy iao, ra tsy tamign'alalan'e lalàgny zany. Fa tsy nahalala gne fagniriagny iao ra tsy nizaka gne lalàgny hoe: "Ka magniry."
8
Fa naka-bahagny tamin'e didin'e fahotagny gne nahatonga e fagniriagny tamina tatoa agnaby. Fa ra tsy misy gne lalàgny da maty gne ota.
9
Taloha iao da velogny tsy nisy lalàgny, fa refa avy gne didy, da velogny indraiky gne ota, da lasa maty iao.
10
Gne didy zay tokony hitondra fiainagny gne nivadiky ho fahafatesagny ho ana.
11
Fa gne fahotagny da naka-bahagny tamign'alalan'e didy kaiky namitaky ana. Tamign'alalan'e didy gne namoniany ana.
12
Noho zany gne lalàgny da masina, ary gne didy da masina, marina, sady tsara.
13
Sa nivadiky fahafatesagny ho ana agnaby gne tsara? Tsy hisy mitsy an'zany. Fa gne ota, mba hafahany hibôky ho fahotagny amign'alalan'zay tsara, da nitondra fahafatesagny agnatiko. Izany da mba ho amign'alalan'e didy, gne fahotagny da mety ho lasa tena fahotagny tokôtry.
14
Fa lalantsika fa ara-pagnà gne lalàgny, fa iao avy amin'e nofo. Efa namidy ho ambanin'e fagnandevozany gne ota iao.
15
Fa gne ra aniko, da tsy de azoko tsara. Satria zay tiako anigny, da tsy aniko, fa zay alako, da aniko.
16
Fa ra magnano zay tsy tiako anigny iao, da miray hevitry amin'e lalàgny fa tsara gne lalàgny.
17
Fa am'zao da tsy iao mitsy gne magnano an'zany, fa gne fahotagny zay velogny agnatiko.
18
Fa lalako fa amina atoa, zay agnatin'e nofoko, da tsy misy ra miaigny tsara. Fa gne fagniriagny gne tsara da agnatiko, saingy tsy afaky magnano anizany iao.
19
Fa gne tsara tiako da tsy aniko, fa gne ratsy tsy tiako, gne aniko.
20
Fa ra magnano zay tsy tiako anigny iao, da tsy iao koa gne miasa anizany, fa gne fahotagny zay miaigny agnatiko.
21
Fa, iao da nahita, gne fitsipiky agnatiko fa te agnano zay tsara iao, saingy gne ratsy gne agnatiko zao.
22
Fa miravoravo agnatin'e lalàn'Andriamanita iao amin'e fagnà maha olo.
23
Kanefa iao mahita fitsipiky raiky hafa amin'e momba gne tegnako. Zany da miady am'zany fitsipiky vaovao ame saiko zany. Mitagny ana ho vôfatotrin'e fitsipiky gne fahotagny zany amin'e momba gne tegnako.
24
Olo-sahiragny iao! Ia gne hagnafaky ana am'ity tegnan'e fahafatesagny ty?
25
Fa isaoragny Andriamanitry amign'alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika! Noho izany, gne tegnako da manompo gne lalàgnan'Andriamanitry amin'e saiko. Ndre da izany, da manompo gne fitsipik'e fahotagny amin'e nofo iao.
Chapter 8
1
Noho izany da tsy misy fagnamelohagny sanaky amin'izao fotoagny izao ho an'e ao amin'i Kristy Jesosy.
2
Fa gne fitsipik'e Fagnahin'e fiainagny ao amin'i Jesosy Kristy gne nagnafaky anà tame fitsipiky gne fahotagny izy ame fahafatesagny.
3
Fa gne tsy afaky nanin'e lalàgny nohon'e fahalemen'izany tame nofo, da nanin'Andriamanitry. . Nandefa gne zanany lahy tokagny Izy tamin'endriky nofo feno fahotagny mba ho fagnatitry ho an'e ota, da nagnameloky gn'ota tame nofo izy.
4
Naniny izany mba ho tanteraky amintsika gne raha takin'e lalàgny, itsika izay mandeha tsy arak'e nofo, fa arak'e fagnahy.
5
Indreo miaigny arak'e nofo da mifantoky ame rahan'e nofo, fa gne velogny arake fagnahy da mifantoky ame rahan'e fagnahy.
6
Satria gne fisaignagny miorigny ame nofo da fahafatesagny, fa gne fisaignagny miorigny ame fagnahy kosa da fiainagny izy ame fiadanagny.
7
Gne fisaignagny miorigny ame nofo da fandrafiagny eo anatrehan'Andriamanitry, fa tsy mifagnaraky ame lalàgnan'Andriamanitry izany, sady tsy hainy agnaby gne magnano an'izany.
8
Indreo izay ao ame nofo da tsy ho afaky ho ankasitrahan'Andriamanitry.
9
Kanefa, anareo da tsy ao ame nofo fa ao ame fagnahy, raha marina fa miaigny ao aminareo e Fagnahin'Andriamanitry. Fa raha misy olo tsy managny gne Fagnahin'i Kristy, da tsy Anazy Izy.
10
Raha ao aminareo i Kristy, da maty nohon'e fahotagny e vatagny, fa gne fagnahy da velogny nohon'e fahamarinagny.
11
Raha gne fagnahan'e nanangagny an'i Jesosy tame maty gne velogny agnatinareo, da Izy izay nanangagny an'i Kristy tame maty gne hagnome fiainagny avakoa ho an'e tegnanareo izay mety maty ame gn'alalan'e Fagnahiny, izay velogny agnatinareo.
12
Noho izany sa rahalà, da mpitrosa itsika, fa tsy ame nofo mba hiaigny arak'e nofo.
13
Fa raha miaigny arak'e nofo anareo, da ho faty, fa raha ame fagnahy izay amonoanareo gne asan'e tegna, da ho velogny anareo.
14
Fa akò gne maro votarik'e Fagnahin'Andriamanitry, indreo gne zanak'Andriamanitry.
15
Fa tsy mandray gne fagnahin'e fagnandevozagny sanaky anareo ka halia. F'izy, nandray gne Fagnahin'e fananganagn'anaky anareo, izay hangiangiantsika hoe: "Aba, Aba ah!"
16
Gne fagnahy mihitsy gne vavolombelogny ame fagnahintsika fa zanak'Andriamanitry itsika.
17
Raha zanaky itsika, da mpandova avakoa, mpandova an' Andriamanitry. Sady mpiray lova ao am'i Kristy itsika, raha tena mijaly miaraky Aminazy marina itsika da omegny voninahitry miaraky Aminazy avakoa.
18
Fa aniko fa gne fijaliagny amizao fotoagny izao da tsy mendriky ampitahaigny am'e voninahitry izay ho hambarany amintsika.
19
Fa gne voahary agnaby izay magnantegna zakabe da mandigny e fampisehoagny e zanak'Andriamanitry.
20
Fa gne voahary da nanigny ho zava-pôagny, tsy nohon'e sitrapony manokagny, fa nohon'e nambotry anazy. Izany da ame toky nomegny
21
fa gne voahary mihintsy gne ho alaigny ame fagnandevozan'e fahalòvany, da hitondra ame fahafahagny ame voninahitr'e zanak'Andriamanitry izany.
22
Fa fantantsika fa gne voahary marobe da miaraky misento sady miaraky miasa agnatin'e fanaintaignagny ndre da amin'izao fotoana izao aza.
23
Tsy izany avao, fa ndre gne tegnatsika, izay managny voaloham-bokatr'e Fagnahy_ ndre gne tegnatsika da misento agnatitsika, mandigny gne fananganagny antsika ho zanany, da gne fagnavotagny gne tegnatsika.
24
Fa tamin'izany toky izany gne namonjegny antsika. Fa izay atokisantsika fa hibôky da mbola tsy hita, fa ia gne mandigny am-patokisagny izay efa hitany?
25
Fa raha matoky ame mbola tsy hitantsika itsika, da mandigny izany am-paharetagny.
26
Akoizany avakoa, gne fagnahy da magnampy ame fahalementsika. Fa itsika tsy mahafantatry gne vavaky tokony ho anintsika, fa gne Fagnahy mihintsy gne mifona ho antsika ame fisentoagny tsy hay zakaigny.
27
Izy izay mandiniky e fo gne mahafantatry gne hevitr'e fagnahy, satria Izy e mifona ho ane mpino arak'e sitrapon'Andriamanitry.
28
Fantantsika ho an'e tia an'Andriamanitry, da miaraky ampesaigny ame tsara aby gne raha marobe,([Fanamarihagny: Raha tokony hoe: "Miaraky ampesaigny ame tsara aby gne raha marobe," da gne fandikagny teny sasany taloha magnano hoe: "Gne raha marobe da miaraky miasa ame tsara."]) ho an'e voaantso arak'e fandaharagny.
29
Satria izay fantany mialoha, da notendreny mialoha avakoa mba hitovy endriky ame Zanany, mba ho anaky lahy voalohany eo agnivon'e mpirahalà maro izy.
30
Gne notendregny mialoha, da nangiagny avakoa. Indreo nangiagny, da nohamarigniny avakoa. Indreo nohamarigniny, da nomeny voninahitry avakoa.
31
Ino izany e tokony ho zakaintsika momba anio raha io? Raha momba antsika gn'Andriamanitry, ia gne mahatohitry antsika?
32
Izy izay tsy miaro gne zanany lahy tokagny fa nanolotry Anazy ho antsika marobe, akoignaia gne tsy agnomezany antsika maimaimpoagny miaraky Aminazy gne raha marobe avakoa?
33
Ia gne hinday fitoriagny hanohitry gne olom-boafidin'Andriamanitry? Andriamanitry raiky avao e magnamarigny an'izany.
34
Ia gne raiky hagnameloky? Kristy raiky gne maty ho antsika, sady mihoatry an'izany, natsangagny avakoa Izy. Manapaky miaraky amin'Andriamanitry ame fitoeram-boninahitry Izy, sady Izy gne mifona ho antsika.
35
Ia gne hagnasaraky antsika ame fitiavan'i Kristy? Fahoriagny, sa fijaliagny, sa fagnenjehagny, sa hanoanagny, sa fikoziagny, sa loza, sa sabatry?
36
Araky gne voasoratry hoe: "Noho gn'aminao da voavono andro lava ahay. Noresigny akô ondry ho vonoigny iay."
37
Agnatin'izany raha marobe izany da mihoatry gne mpandresy iay ame gn'alalan'e raiky tia anay.
38
Fa iao da resy lahatry fa ndre gne fahafatesagny, ndre gne fiaignany, ndre indreo anjely, ndre indreo fanjakagny, na e raha amin'izao fotoagny izao, na e raha ho avy, na gne hery,
39
na gne avo, na gne laligny, na gne zavaboary hafa, da tsy ahasaraky antsika ame fitiavan'Andriamanitry, izay ao am'i Kristy Jesosy Tompontsika.
Chapter 9
1
Mizaka gne marigny ao ame Kristy iao. Tsy mivandy iao, ary gne eritreritro gne vavolombelogny miaraky aminà ao ame Fanahy Masina,
2
raha iao da tsy misy alahelo zakabe sy fahoriagne tsy mijanogny agnatin'e foko.
3
Da afaky nagniry iao fa noho gne aminareo rahalàko,raiky karazagny aminà da ho voaozogny ka hisitaky amin'i Kristy gne tegnako.
4
Indreo da Israelita. Indreo da managny fananganagny, gne voninahitry, gne fankatoavagny, gne fagnomezan'e lalàna, gne fideragny an'Andriamanitry, ary ireo fampanatenagny.
5
Gnandreo da ireo razagny izay nahatonga an'i kristy ho tonga nofo, Izy izay Andriamanitra ambonin'e rehetra. Ho deraigny mandrakizay anie Izy. Amena.
6
Fa tsy fôgny zay nampanantegnain' Andriamanitry. Fa tsy zay rehetra avy agny Israely no tegna Iasraely.
7
Na ireo taranak'i Abrahama agnaby tsy voatery io avao gne zanany. Fa: "Ame alalan'Isaka gne hiantsoagny gne taranakao."
8
Izany hoe, gne zanaky gne nofotry da tsy zanak'Andriamanitry. Fa gne zanaky gne fampanantenagny gne raisigny ho taranaky.
9
Fa akoizao gne zakan'e fampanantenagny: "Amin'izany fotoagny zany da ho avy iao, da omegny zazalà Saraha."
10
Tsy izany avao, fa aveo koa Rebeka hanagn'anaky ame lelà raiky, Isaka raintsika_ fa mbola tsy teraky anefa io zaza io sady tsy
11
mbola nisy raha tsara na ratsy namboariny, mba ho tanteraky gne tanjon'Andriamanitry araky gne fisafidianagny, tsy noho gne asa, fa noho Izy izay miasa_
12
Nozakaingy tamin-draviavy hoe: "Gne zokiny da hanompo gne zandriny."
13
Akoragn'e voasoratry hoe: "Tiako Jakoba, fa halako Esao."
14
Ino zany gne hozakaintsika? Misy tsy fahamarinagny me gne miaraky amin'Andriamanitry?
15
Raha tsy hisy izany. Fa hoy Izy tamin'i Mosesy hoe: "Hamindra fo amin'e tiako hamindragny fo Iao, ary hahafiragny gne tiako firaignesigny Iao."
16
Noho izany da tsy noho izy mikasa an'izany, na noho izy izay miazakazaky, fa noho Andriamanitry nagnabôky gne famindra-po.
17
Fa gne Soratry Masina nagnambara tamin'i Farao hoe: "Izany gn'antony gne nagnandratako anao, mba hagnaboako aminao gne heriko, sady mba hagnambaragny gne agnarako eran-tany."
18
Noho izany, Andriamanitry da mamindra fo amin'zay tiany, ary zay tiany gne ho hamafisigny fo.
19
Aveo hizaka aminà anareo hoe: "Nagnino da mbola mahita tsigny fezay Izy?" Ia gne mahasakagny gne sitrapony?"
20
Mifanohitra amin'izany, ralehilà, ia lôtry anao mamaly manohitry an'Andriamanitry? Moa gne novolavolaigny afaky hizaka ame mpamolavola hoe: "Nagnino sa naninao ako ity iao?"
21
Sa gne mpagnano vilagny tsy managny zo amigne tanimanga ka gne vongagny raiky igny avao gne agnamboragny fitoeragny amign'andro voatokagny, ary fitoeragny raiky hafa koa amign'isan'andro?
22
Akognaia raha Andriamanitry, tagnamboatry gne havignirany sy hampahafantry gne fahefagny, gne niaritry tamim-paharetagny gne fipetrahan'e fahavignirany nomagniny ho ame fahasimbaigny?
23
Akognaia raha nagnano an'izany Izy mba hampahafantariny gne haren'e voninahiny eo amign'e fipetrahan'e famindram-po, ze efa nomagniny lateo ho amin'e voninahitry?
24
Akognaia raha namboariny ho antsika koa izany, zay natsovany avakoa, tsy hoe ame Jiosy avao, fa ho ame Jentilisa avakoa?
25
Arak'izay nozakainy tao amin'i Hosea avakoa hoe: "Hantsovako hoe oloko zay tsy oloko, sady hoe malalany izay tsy malala.
26
Aveo da agny amin'izay nizakàny andreo hoe: 'tsy oloko anareo,' agny gne agnatsovagny andreo hoe: 'Zanak'Andriamanitry velogny.'"
27
Isaia nagnetso mafy gne ame Israely hoe: "Raha akogn'e fasiky egny ame ranomasigny gne isan'e zanak'Israely, da ho voavonjy zay sisa ambiny,
28
fa gne Tompo hinday gne zakany eto ambony gne tany, feno sady tsy ho ela."
29
Araky gne nozakain' Isaia meloha hoe: "Raha gne Tompo tompon'e maro gne tsy nametraky taranaky ho antsika, da ho ako i Sodoma isika, sady ho lasa ako i Gomora."
30
Ino zany gn'hozakaintsika? Fa ireo Jentilisa, zay tsy nitady gne fahamarinagny, gne nahazo fahamarinagny avy tame finoagny.
31
Fa Israely, zay nitady gne lalàgn'e fahamarinagny, da tsy tonga tamin'izany.
32
Nagnino me? Satria indreo tsy nitady izany tame finoagny, fa tame asa. Tafatoin'e vaton'e fanafintohinagny indreo,
33
araky gne voasoratry hoe: "Hiteo, ao Ziona gne ametrahako gne vaton'e fanafitohinagny sy vatolampin'e fandikan-dalàgny. Zay mino izany da tsy ho megnatry."
Chapter 10
1
E Rahalà ,gn'irin'e foko izy ame angatahiko amin'Andriamanitry ho andreo , da gne famonjegny andreo.
2
Fa mijoro vavolombelogny momba andreo iao fa mafana fo ho Andriamanitry indreo, nefa tsy araky gne fahalalagny.
3
Fa tsy mahalala gne fahamarinan' Andriamanitry io , sady mitady hametraky gne fahamarinandreo manokagny. Tsy magneky gne fahamarinan'Andriamanitry indreo.
4
Fa kristy gne fahatanterahan'e lalàgny ho fahamarinagny ho an'izay rehetra mino.
5
Fa Mosesy manoratry momban'e fahamarinagny izay avy amin'e lalàgny hoe: "Gne olo izay magnano gne fahamarinan'e lalàgny da hiaigny amin'izany fahamarinagny izany."
6
Fa gne fahamarinagny izay avy amin'e finoagny da mizaka hoe: "Ka mizaka an'izao am-po hoe: 'Ia gne hiakatry an-dagnitry agny?' (Izany da, mampidigny an'i kristy);
7
Sady ka mizaka hoe:"Ia gne hidigny amin'e laligny agny?'" (izany da , mampiakatry an'i kristy amin'e maty).
8
Fa ino gn'ambaran'izany? "eo akaikinao gne zaka, ao am-bavanao sady ao am-ponao." Izany gne teninn'e finoagny, izay ambaranay.
9
Fa raha amin'e vavanao gne agnekenao an'i Jesosy ho tompo, sady mino amin'e fonao fa natsangan'Andriamanitry tamin'e maty Izy, da ho vonjegny anao.
10
Fa amin'e fo gne inoan'olo gne fahamarinagny, da amin'e vava gne agnekegny gne famonjegny .
11
Fa hoy gne Soratra Masina hoe: "Tsy ho megnatry izay rehetra mino Anazy."
12
Fa tsy misy fahasamihafagny eo amin'e Jiosy izy ame Grika. Fa tompo raiky avao gne tompon'e rehetra, sady harem_ pahasoavagny ho an'izay rehetra mangaiky Anazy Izy.
13
Fa izay rehetra mangaiky gn'agnaran'e Tompo gne ho vonjegny.
14
Akognaia zany gne ahafandreo mangaiky Anazy izay tsy ninoany? Akognaia gne ahafahandreo mino Anazy izay tsy regnindreo? Akognaia gne ahafahandreo maregny raha tsy misy mpitory?
15
sady akognaia gne ahafandreo mitory, raha tsy nisy nagniraky? Araky gne vaosoratry hoe: "Endrey gne hatsaran'e tongotrindreo magnambara ireo zava-tsoan'e filazantsara!"
F'izy tsy indreo agnaby gne niteno gne filazantsara. Hoy Isaia se: "Tompo, ia gne nino gne hafatray?" Noho izany gne finoagny da avy amin'e fihainoagny, da gne fihainoagny avy amin'e zakan'i Kristy.
18
Fa hoy iao se: "Tsy nisy naregny me indreo?" Eka, tena marina. "Gne feon-dreo da efa niparitaky magneran-tany, sady gne zakandreo magneragny amin'e faran'izao tontolo zao."
19
Ankoatr'izay, hoy iao se: "Tsy nahalala me Israely?" Tamin'e voalohany Mosesy nizaka hoe: " ho aniko saropiaro amin'izay tsy firenegny anareo. Amin'e firenegny izay tsy misy fahalalagny, ho aniko avy amin'e fahavigniragny anareo."
20
Sady tena sahy tokôtry Isaia refa nizaka izy hoe: "Hitandreo izay tsy nitady ana iao. Niboaky tamindreo izay tsy nagnontany ana iao."
21
Fa hoy izy tamin'Israely hoe: "Tontolony the nagnaparako gne tagnako tamin'e olo tsy mankatò izy ame maditry."
Chapter 11
1
Da nizaka iao, narian'Andriamanitry me gne olony? Sagnatrian'izany. Ndre iao avakoa da Israelita, taranak'i Abrahama, avy ame fokon'i Benjamina.
2
Andriamanitry da tsy nagnary gne olony, izay efa lalany taloha. Tsy lalanareo me gne vôzakan'e Soratry Masina momban'i Elia, da gne fitaraignany tamin'Andriamanitry namely an'Israely? hoe:
3
Tompo, indreo da namono gne mpaminaninao, namotiky gne alitaranao. Iao raiky gne sisa tavela, ary mifofo gn'aiko indreo."
4
Fa ino e zaka nambaran'Andriamanitry an'azy? "Nanokagny fito arivo làhy ho an'e tegnako Iao izay tsy nandohaliky tamin'e Bala."
5
D'akoizany, amin'izao fotoagny zao avakoa da misy sisa avao nohon'e fisafidianagny ame fahasoavagny.
6
Fa raha avy ame fahasoavgny izany, da tsy avy ame asa koa. Fa raha izany da tsy fahasoavagny koa gne fahasoavagny. ([Fanamariagny: gne antotan-taratasy sasany taloha da mamaky hoe: "Kanefa raha avy ame asa izany, da tsy fahasoavagny koa; fa raha izany da tsy asa koa gne asa]
7
Da ino sa? Gne raha notadiavin'Israely, da tsy azony, Fa gne voafidy gne nahazo izany, sady nohamafisigny gn'ambiny.
8
Izany da araky gn' efa voasoratry hoe: "Andriamanitry da nagnome andreo gne fagnahin'e fitavozavozagny, maso mba tsy hahitan-dreo, da gne sofigny mba tsy handregnesan-dreo, mandrak'androany."
9
Da hoy Davida nagnano hoe: "Aoka gne latabatriny ho harato sy fandriky, ho vato mamingagny sady valifaty ho andreo.
10
Aoka gne mason-dreo ho mijigny mba tsy hahita, ary aoka hiondriky mandrakizay gne lamosindreo."
11
Da hoy iao hoe: "Indreo me tafitoigny mba ho lavo?" Sagnatrian'izany. F'izy da avy ame filavoan-dreo, gne nahatongavan'e famonjegny tamin-dreo Jentilisa, mba hampialogny andreo.
12
Ary raha gne fahalavoan--dreo gne haregn'izao tontolo zao, sady Raha gne fahaverezan-dreo gne haren'e Jentilisa, da magnano akognaia gne hazakaben'e fahatanterahan-dreo?
13
Fa am'izao da mizaka aminareo Jentilisa iao, ary raha mbola apôstôlin'e Jentilisa iao, da mankasitraky gne fanompoako.
14
Angamba hampialogny andreo izay avy ame nofotriko manokagny iao. Angamba hamonjy gne sasany amin-dreo itsika.
15
Fa raha midika fampihavanagny an'izao tontolo zao gne fandavagny andreo, da ino gne andraisagny andreo izany fa fiainagny avy ame fahafatesagny?
16
Raha voatokagny gne vokatry voalohany, da gne ampahany ame kobam-bary avakoa. Raha voatokagny gne fakany, da akô izany avakoa gne rantsany.
17
Fa raha notapaigny gne rantsagny sasany, sady raha anao, sampagny olivadia, gne natambatry teo amindreo, sady raha nifampizara tamindreo gne faka-mamokatry gne kakazo oliva anao,
18
aza mirehareha amin'ireo sampagny. Fa raha mirehareha anao, da tsy anao gne mitondra gne fakagny, fa gne fakany gne mitondra anao.
19
Da hizaka anao hoe: "Notahigny hiala ireo sampagny mba hafahako mifandray amin'azy."
20
Marigny izany. Noho gne tsy finoan-dreo da notapaigny hiala indreo, fa anareo da mijoro tsara araky gne finoanareo. Aza magnano gne tegnanareo ho ambony, fa matahora.
21
Fa ndre gne tegna sampagny aza da tsy navelan'Andriamanitry, da tsy ho avelany avakoa anao.
22
Sady, taragno, gne fahamoram-po sy gne fahasaro-pon'Andriamanitry. Etsia andaniny, gne fahasaro-po da avy ame Jiosy zay lavo. Da etsia avakoa, gne hatsara-pagnahin' Andriamanitry da avy aminareo, raha maharitry ao ame hatsaram-pagnahiny anareo. Fa raha tsy izany da ho tapahigny koa anareo.
23
Ndre io aza, raha tsy manohy ame tsy finoagny indreo, da hatambatry. Fa Andriamanitry da afaky mamerigny manambatry andreo indraiky.
24
Fa raha notapahigny tame kakazo oliva_dì anareo, ka natambatry tame kakazo oliva tsara, da akognaia gne fohoaran'e hamaroan'e Jiosy, izay sampagny voajanahary, natambatry tame kakazo olivan-dreo manokagny?
25
Fa tsy tiako tsy hahafantatry anareo, ry rahalà gn'amin'izany tsiambaratelo izany, mba tsy haha-hendry anareo amin'eritreritry nareo manokagny. Izany tsiambaratelo izany da efa nahamafy loha gne sasany ame Israely, mandra-piavin'e fahefan'e Jentilisa.
26
Noho izany da hovonjegny agnaby gne Israely aby, araky gne voasoratry hoe: "Hiboaky avy agny Ziona gne mpagnafaky. Hangala gne haratsia-pagnahy amin'i Jakoba izy,
27
da izany gne ho fagnekem- pihavanako amin-dreo refa hagnafôgny e fahotan-dreo Iao."
28
Ame lafiny raiky mahakasiky gne filazantsara, da fahavalo idreo noho gn'aminareo. Ame lafiny raiky hafa araky gne safidin'Andriamanitry, da mahalala indreo noho gne razagny.
29
Fa ireo fanomezagny sy antson'Andriamanitry da tsy miova.
30
Fa anareo da tsy magneky an'Andriamanitry taloha, kanefa amin'izao anareo da nandray gne famindram-pò noho e fankatoavandreo.
31
Akoizany avakoa, amin'izao ireo Jiosy da tsy magneky. Gne vokany da avy tame famindram-pò izay nabôky anareo e mety handraisan-dreo gne famindram-pò avakoa amin'izao.
32
Fa Andriamanitry efa nagnidy e tsy fankatoavagn'aby, mba ahafahany magnabôky famindram-pò ame olo aby.
33
Hiteo, gne halalin'e haren'e fahendregny sy fahalalan'Andriamanitry! Tsy takatry gne saigny io fitsaragny io, ary e lalany da tsy hay refesigny!
34
"Fa ia gne nahalala e fihevitry gne Tompo na ia gn'avy ho mpanolon-tsaigny an'Azy?
35
Na ia gne nagnome raha an'Andriamanitry aloha, ka tsy mentsy hagnoneran' Andriamanitry an'azy indraiky?"
36
Fa avy amin'azy sy ame alalany sady ho an'Azy gne raha aby. Ho an'Azy mandrakariva gne voninahitry. Amena.
Chapter 12
1
Mangataky anareo aho noho izany, ry ralà, noho ireo famindram-pon'Andriamanitry, mba hanolotry gne tegnanareo ho sorogny velogny, masina, eken'Andriamanitry. Izany gne fanompoanareo araky gne tokony ho izy.
2
Ka mangalataky an'izao tontolo zao, fa miovà ame fanavoazagny gne sainareo. Ataovy izao mba ho lalanareo tsara izany, azo ekegny, sady gne sitrapò lafatr'Andriamanitry.
3
Fa ambarako, noho gne fahasoavagny izay nomegny Anà, gne tsy tokony hanagnan'e olo agnaby izay eo aminareo gne eritreritry hagnambony gne tegnany mihôtry gne tokony ho eritreretiny. F'izy, da tokony hieritreritry am-pahendrengny indreo, mitovy tame fagnomezan'Andriamanitry fatram-pinoagny gne tsiraidraiky aby.
4
Fa managny rantsagny maro ame tegnantsika isika, kanefa tsy mitovy aby gne asan'ireo rantsagny ireo.
5
Mitovy amin'zany isika agnaby da tegna raiky avao ao amin'i Kristy, sady rantsagny hafa ame tsirairaiky.
6
Managny fanomezam-pahasoavagny samy hafa itsika araky gne fahasoavagny izay nomegny antsika. Raha faminaniagny gne fanomezam-pahasoavagn'e raiky, da anigny araky haben'e finoany.
7
Raha fanompoagny gne fanomezam-pahasoavagn'e raiky, d'apetray izy hanompo. Raha nisy raiky nahazo fanomezam-pahasoavagny hampianatry, apetray izy hampianatry.
8
Raha fampaherezagny gne fagnomezam- pahasoavagn'e raiky, apetray izy hampahery. Raha mahagnome gne fagnomezam- pahasoavagn'e raiky, apetray izy hagnano izany amim-palalan-tanagny. Raha hitariky gne fagnomezam-pahasoavagn'e raiky, apetray izy ho vita am-pitandremagny. Raha hampiseho fafiragnesagny gne fagnomezam- pahasoavagn'e raiky, apetray izany ho vita an-kafaliagny.
9
Amboaro tsara gne fitiavagny tsy hisy fiatsaram-belatsihy. Ka mankatia gne ratsy; tazomo mafy izay tsara.
10
Raha gne momba gne fitiavan-drahalà, mifankatiava anareo tsiraidraiky aby. Raha gne momba gne fagnomezam-boninahitry, mifagnajà.
11
Raha gne momba gne fimaniagny, ka misalasala. Raha momba gne fagnahy, apetray hafana fo. Momba gne Tompo, tompoy Izy.
12
Mifalia ame fahatokiagny izay hanagnanao momba gne ho avy. Mahatatesa am'ireo olagninao agnaby. Ka mihegny gne mivavaky.
13
Mifampizara ami'izay ilain'e mpino. Mitadiava fomba maro hampiantranoanao olo.
14
Misaora ireo izay magnenjiky anao; misaora sady aza magnozogny.
15
Miresa mifaly amin-dreo izay mifaly; miresa mitomagny amin-dreo izay mitomagny.
16
Mitovia fisaigny ame tsiraidraiky. Ka misaigny ame fomba mirehareha, fa ekeo ndre gne olo ambany. Aza mihevitry gne tegnanao ho hendry.
17
Ka mamaly ratsy gne ratsy. Magnamboara raha tsara maro ame olo agnaby.
18
Raha mety, arake azonao anigny, mihavagna ame olo agnaby.
19
Ka mamaly ratsy gne tegnanareo, ry malala, fa omeo lala e fahavigniran'Andriamanitry. Fa efa voasoratry hoe: '''Anà gne vali-faty; Iao gne hamaly,' hoy gne Tompo."
20
Fa raha mosaregny gne fahavalonao, omeo hanigny izy. Raha te hin-drano izy, omeo rano izy hondranominy, fa raha magnano izany anao, da ho baik'afo hangonigny ame lohany."
21
Aza mety ho resin'e ratsy, fa reseo ame tsara gne ratsy.
Chapter 13
1
Aoka gne fagnahy agnaby hagneky e manam-pahefagny ambony, fa tsy misy fahefagny raha tsy avy amin'Andriamanitry. Fa indreo manam-pahefagny efa misy da efa voatendrin'Andriamanitry.
2
Noho izany zay manohitry an'izany fahefagny zany da manohitry gne didin'Andriamanitry; fa indreo zay manohitry an'izany da hahazo fitsaràgny amin'e tegnandreo.
3
Satria indreo mpanapaky da tsy fampitahoragny ho an'e asa tsara, fa ho ane gn'asa ratsy. Magniry gne tsy halia gne raiky amin'e fahefagny me anareo? Magnamboara e tsara, da ho deraigny amin'izany anao.
4
Fa izy da ho mpanompon'Andriamanitry ho anareo amin'e tsara. Fa raha magnano gne ratsy anareo, da matahòra, satria tsy mitondra gne sabatry tsy amin'e antony Izy. Fa Izy da mpanompon'Andriamanitry, mpamaly gn' avigniragny amin'izay magnano e ratsy.
5
Noho izany da tokony hagneky anareo, tsy nohon'e havigniragny avao, fa nohon'e fieritreretagny avakoa.
6
Noho izany da mandoa hetra avakoa anareo. Fa mpanompon'Andriamanitry e manam-pahefagny, izay miandraikitry an'izany raha izany tsy ankijanogny.
7
Aloavy amin'e tsiraidraiky izay tokony ho andreo: mandoava hetra amin'izay tokony handoavagny anazy; mandoava fadin-tseragnagny amin'izay tokony handoavagny anazy; maliava an'izay tokony haliavagny; magnajà an'izay mendriky an'izany.
8
Ka managny trosa ndre amin'ia ndre amin'ia, afa-tsy gne fifankatiavagny avao. Fa izay tia gne magnodidigny anazy da nahatanteraky gne lalàgny:
9
Maro e didy: "Ka mangala-badin'olo, ka mamono olo, ka mangalatry, ka magniry," fa raha misy didy hafa ankoatry an'io koa, da voafehy amin'ity fehezanteny ity izany: "Tiavo gne namanao akô gne tegnanao."
10
Gne fitiavagny da tsy mandratry gne magnodidigny; noho izany, gne fitiavagny gne fahatanterahan'e lalàgny.
11
Noho izany, lalanareo gne fotoagny, fa efa fotoagny hifoazanareo amin'e torimasinareo sahady izao. Fa amin'izao efa magnakeky noho izay ninoantsika tamin'e voalohany gne fagnavotagny antsika.
12
Miha aligny, sady magnakaiky gne andro. Noho izany andasika hariagny gne asan'e mizigny, sady andao isika hisikigny gne fiadian'e fahazavagny.
13
Andasika andeha amin'e lalagny mahitsy, akô gn'amign'andro, tsy akô gn'ame fety tsy am-pamendrehagny na koa gne fahamamoagny; da andasika tsy handeha amin'e fahavetavetagny na amin'e filàgny tsy voafe, sady tsy ho amin'e fifanoheragny na fialognagny.
14
Fa misikina an'i Jesosy Kristy Tompo, sady ka magnome hiriky ho an'e nofo, mba hagnomezany fahafam-po gne filàny.
Chapter 14
1
Raiso ndre da gne malemy ame finoagny, ka mitsara momba gne tohan-kevitry.
2
Gn'olo raiky da managny finoagny hihinagny ndre ino ndre ino, fa gne raiky hafa malemy da tsy mihinagny afa-ts'e legioma.
3
Aleo izay mihinagny e raha marobe aby io mba tsy hagnaratsy izay tsy mihinagny agnaby. Fa Andriamanitry efa nagneky anazy.
4
Ia me anao, anao mitsara gne mpanompon'olo hafa? Ankatrefan'e tompony izy gne mitsangagny na milavo. Fa hatsangagny izy, satria gne Tompo da afaky manangagny anazy.
5
Gn'olo raiky da mihevitry fa misy andro tsara nohon'e rehetra. Fa gne hafa da mihevitry fa mitovy gn'andro aby io. Apetray gne kiraidraiky ho resy lahatry araky gne sainy agnaby.
6
Izay mandiniky gn'andro, da mandiniky an'izany ho an'e Tompo; da gne mihinagny, da mihinagny ho an'ny Tompo, fa misaotry an'Andriamanitry izy. Izay tsy mihinagny, da mifady hanigny ho an'ny Tompo, izy avakoa da misaotry an'Andriamanitry.
7
Fa tsy misy miaigny ho an'e tegnany antsika, da tsy misy maty ho an'e tegnany.
8
Fa raha miagny itsika, da miagny ho an'e Tompo, ary raha maty itsika, da maty ho an'e Tompo.
9
Noho izany antony izany e nahafatesan'i Kristy da nahavelogny anazy indraiky koa, da mba hahatonga Anazy ho Tompon'e maty sady Tompon'e velogny.
10
Anao ka, nagnino me anao mitsara gne rahalàhinao? Da anao, nagnino anao malaigny e ralahinao? Fa itsika agnaby io da mbola hitsangagny ho tsaraigny ankatrefan'e seza fitsaran'Andriamanitry.
11
Fa efa voasoratry hoe: "Ra mbola velogny koa Iao," hoy gne Tompo, "da hiforitry an-katrefako gne tsopokon'e rehetra, sady gne lela rehetra avakoa da hidera an'Andriamanitry."
12
Noho izany, da itsika tsiraidraiky da hagnano tatitry gne tegnany amin'Andriamanitry.
13
Ka, ao isika tsy hifampitsara sanaky, fa anapaky an'izao, mba tsy hisy hametraky vato mahatafitoigny na fandriky ho an'e rahalàhiny.
14
Mahafantatry iao sady resy lahatry ame Tompo Jesosy, fa tsy misy tsy madio ame tegnany. Fa ho an'e mandray ndre ino ndre ino ho tsy madio avao, da tsy madio izany aminazy.
15
Satria raha malahelo noho gne ame sakafo gne rahalàhinao, da tsy mandeha am-pitiavagny esanaky anao. Ka simbagny nohon'e ame sakafonareo indreo izay namoizan'i Kristy gne ainy.
16
Ka hekenareo ho haratsiagny gne raha eritreretinao ho tsara.
17
Fa gne fanjakan'Andriamanitry da tsy momba gne hanigny izy ame rano fisotro, fa momba gne fahamarinagny, fiadanagny, da fifaliagny ao amin'e Fagnahy Masigny.
18
Fa gne manompo an'i Kristy arak'izany da ankasitrahin'Andriamanitry sady eken'olo.
19
Noho izany, aleo itsika hanohy gne rahan'e fiadanagny izy ame raha manefy gne tsiraidraiky.
20
Ka simbagny nohon'e amin'e hanigny gne asan'Andriamanitry. Madio tokôtry gne raha agnaby, fa ratsy ho an'e gn'olo minagny anazy sady mahavy anazy ho tafintohigny.
21
Tsara gne tsy mihinan-kena, na misotro divay, na gne raha aby izay mety hanafintohigny gne rahalahinao.
22
Gne finoagny anagnanao, ampirimo agnatinao sy Andriamanitry. Sambatry izay tsy magnameloky gne tegnany amin'izay ekeny.
23
Izay misalasala da meloky raha mihinagny, satria tsy tame finoagny izany. Sady ndre ino ndre ino tsy avy ame finoagny da fahotagny.
Chapter 15
1
Da antsika izay matanjaky da tokony hahalefitry e fahalemen'e malemy, sady tsy tokony hagnano e raha mahafinaritry e tegnatsika itsika.
2
Aoka atsika tsiraidraiky mba hagnano e raha mahafaly e mpiarabelogny amintsika fa izany e tsara, mba hanandratagny anazy.
3
Fa ndre da i Kristy ary tsy nagnano izay nahafinaritry e tegnany. F'izy, izany moa da arak'e voasoratry hoe: Gne faniratsiran'e olo izay naniratsira anareo da nitreky taminà."
4
Fa ndre ino ndre ino voasoratry taloha tagny da voasoratry ho fampianaragny antsika, mba amin'e alalan'e faharetagny izy ame fampaherezan'e Soratry Masigny e anagnantsika toky.
5
Da Andriamanitry faharetagny izy ame fankaherezagny anie hagnome saigny mitovy ho ane tsiraidraiky aby araky an'i Kristy Jesosy.
6
Izy anie hagnano an'izany mba ho ame fisaignagny raiky sady ame vava raiky avao e hideranareo an'Andriamanitry izy am'i Aban'e Tompontsika Kristy Jesosy.
7
Noho izany mifandraisa, ako e nandraisan'i Kristy anareo avakoa, ho fideragny an'Andriamanitry.
8
Fa zakaiko fa i Kristy da efa lasa mpamompon'e voafora ho an'e fahamarinan'Andriamanitry, mba ahafahagny magnamarigny e fampagnantegnagny izay nomegny e Ray,
9
da e jentilisa mba hagnomezam-boninahitry an'Andriamanitry nohon'e famindram-pony. Izany da arak'e efa voasoratry hoe: "Noho izany da hagnome fideragny Anao eo amin'e jentilisa iao sady hihira fideragny gne agnaranao."
10
Da mbola voazaka avakoa hoe: "Miravoravoa, miaraky amin'e fokonolo maro be, ry Jentilisa."
11
Sady koa hoe: "Ô Jentilisa! Deray e Tompo, apetray e olo agnaby hidera Anazy."
12
Da hoy koa i Isaia se: "Hisy taranak'i Jese, da e olo hanapaky eo amin'ny Jentilisa. Hanagny fahatokisagny aminazy indreo Jentilisa."
13
Da e Andriamanitr'e fahatokisagny anie hameno anareo fifaliagny da fiadanagny agnaby amin'e finoagny, mba ho feno fahatokisagny anareo, avy amin'e herin'e Fagnahy Masigny.
14
Ô rahalà! Iao toa avakoa da resy lahatry ame momba anareo. Da resy lahatry iao fa anareo io avakoa da feno fahatsaragny, feno e fahalalagny agnaby. Da resy lahatry avakoa iao fa anareo io avakoa da afaky mifagnanatry.
15
Fa manoratry am-pahasahiagny aminareo iao mikasiky e raha sasany mba hampitadidiagny anareo indraiky, nohon'e fagnomezam-pahasoavagny izay nomen'Andriamanitry anà.
16
Izany fagnomezam-pahasoavagny izany da tokony hanompoako an'i Kristy Jesosy nalefa tagny ame Jentilisa, mba hanolotry ako e sorogny e Filazantsaran'Andriamanitry. Tokony haniko izany mba ho azo ekegny e fagnatitr'ireo Jentilisa, voatokan'e Fagnahy Masigny.
17
Noho izany e hafaliako da amin'i Kristy Jesosy izy ame rahan'Andriamanitry.
18
Fa tsy ho sahy hizaka ndre ino ndre ino afa-ts'e raha vitan'i Kristy tame alalako ho an'e fagneken'e jentilisa iao. Io raha aby io da vita tame zaka izy ame asa,
19
tame herin'e famantaragny izy ame fahagagagny, sady tame herin'e Fagnahy Masigny. Amin'izay da mba avy a Jerosalema, ame lavidavitry ako Ilyrikioma, e hahafahako magnatanteraky e Filazantsaran'i Kristy.
20
Amin'izany, e fagniriako da e hitory Filazantsara, fa tsy amin'izay ahalalagny an'i Kristy ame agnara, mba tsy hagnoregnako ame efa nagnoregnan'olo.
21
Izany da arak'e efa voasoratry hoe: "Tamin'izay tsy nizakagny Anazy e ahita Anazy, da izay tsy naharegny e ahazo."
22
Noho izany avakoa da voasakagny matetiky tsy ho avy aminareo agny Iao.
23
Fa amin'izao fotoagny izao, da tsy managny toeragny amin'io faritry io sanaky Iao, sady da efa taogny maro e nagniriako e ho avy aminareo agny.
24
Noho izany, ndre ovia ndre ovia handianako agny Espana, da magnantegna iao fa hahita anareo refa mandalo, sady haterinareo ame hombako, refa avy mankafy e fiarahanareo tselatsela Iao.
25
F'izy amin'izao fotoagny izao eky sa, da ho agny Jerosalema eky Iao hanompo e mpino.
26
Fa fifalian'i Makedonia izy amin'i Akaia e hagnano fandraisagny anjara ho ane mahantra agn'isan'izany e mpino a Jerosalema.
27
Eka, hafaliagny ho andreo izany, sady mpitrosa aminazy moa indreo io. Fa raha e Jentilisa e nizara tame raha masignindreo, da tokony hanompo andreo avakoa indreo ame raha ara-materialy.
28
Noho izany, rehefa naniko izao asa izao sady nagnamafy fa voaraindreo e vokatry izay nalagno, da handeha agny Espaina iao da hitsidiky anareo ame lalako.
29
Fantako fa refa mande aminareo agny iao da hiditry ame fahafenoan'e fitahian'i Kristy.
30
Amin'izao fotoagny izao da mandrisiky anareo amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sady ame fitiavan'e Fagnahy Masigny iao rahalà, mba hiaraky hiady aminà anareo ame vavaky aninareo amin'Andriamanitry ho anà.
31
Mivavaha mba ho avotry amin'io olo izay tsy magneky agny Jodia io iao, sady mba ho eken'io mpino io e fanompoako ho an'i Jerosalema.
32
Mivavaha mba hifaliako aminareo amin-kafaliagny ame sitrapon'Andriamanitry, sady mba hahafahako mahita fijanognagny, miaraky aminareo.
33
Andriamanitry nge fiadanagny anie homba anareo agnaby. Amena.
Chapter 16
1
Ankiniko aminareo i Foiby anakavintsika, izay mpanompon'e fiangonagny agny Kenkrea,
2
mba handraisanareo an'azy ao ame Tompo. Ataovy izany ame fomba mendriky gne mpino, sady magnatreha an'azy amin'izay olagny mety ilaigny gne fagnampianareo. Fa izy tegnany avakoa da lasa mpagnampy gne maro, sady gne tegnako avakoa.
3
Magnamboara veloma an'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa aminà ao amin'i Kristy Jesosy,
4
izay nahafoy gn'aindreo ho an'e aiko. Misaotry andreo iao, sady tsy iao avao, fa gne fiangonan'e Jentilisa agnaby avakoa.
5
Magnamboara veloma gne fiangonagny izay ao ame tragnondreo. Magnamboara veloma agny amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy.
6
Magnamboara veloma an'i Maria, izay niasa mafy ho anareo.
7
Magnamboara veloma an'i Androniko sy Jonia, havako akeky, sady niara-nigadra taminà. Malaza eo agnivon'ireo apostoly indreo, izay tao amin'i Kristy talohako avakoa.
8
Magnamboara veloma an'i Ampliato, malalako ao amin'i Tompo.
9
Magnamboara veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin'i Kristy, da I Staky, malalako.
10
Arahabay i Apela, izay ankasitrahagny ao amin'i Kristy. Arahabay indreo izay ao ame tokantragnon'i Aristobolo. Magnamboara veloma an'i Herodiona, havako.
11
Magnamboara veloma andreo izay ao ame tokantragnon'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo.
12
Magnamboara veloma an'i Tryfena sy Tryfosa, izay miasa mafy ao amin'ny Tompo. Arahabay i Perysa malala , izay niasa mafy tao amin'ny Tompo.
13
Nagnamboarako veloma an'i Rofosy, izay voafidy tao amin'ny Tompo, da i endriny izy amin'i endriko.
14
Magnamboara veloma an'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, da gne rahalà izay miaraky amindreo.
15
Magnamboara veloma an'i Filologia sy Jolia, Nerea izy ame anakaviny, Olimpa, sady gne mpino miaraky amindreo agnaby.
16
Mifagnamboara veloma ame fifagnorohagny masigny. Gne fiangonan'i Kristy agnaby da magnano veloma anareo.
17
Amin'izao fotoagny izao mamporisiky anareo iao, rô rahalà, mba hihevitry gne momban'izay fizarazaragny izy ame fanafintohignagny. Indreo da mihoatry lavitry gne fampianaragny izay noraisinareo. Misitahà lavitry andreo.
18
Fa tsy mpanompon'i Kristy Tompontsika gn'olo akô io, fa gne trokiny raiky avao. Ame zaka malefaky sy mandokandoka gn'amitahandreo gne fon'e tsy manan_tsigny.
19
Fa gne ohatrareo ame fankatoavagny da tafita agny ame tsiraidraiky. Noho izany, mifaly iao, gn'aminareo, fa tiako mba ho hendry amin'izay tsara anareo, sady tsy hanan-tsigny am'izay ratsy .
20
Andriamanitry gne fiadanagny hanorotoro an'i Satana eo ambanin'e tombokareo afaky fotoagny fohy. Ho aminareo anie gne fahasoavan'i Tompontsika Jesosy Kristy.
21
Timoty, mpiara-miasa aminà, da magnano veloma anareo, sy Losio , Jasona da i Sosipatro, havako.
22
Iao, Tertio, izay nanoratry ity epistily ity, da magnano veloma anareo ao amin'i Tompo.
23
Gaio, mpampiantragno anà izy ame fiangonagny agnaby, da magnano veloma anareo. Erasto, mpitam-bola ao ame tanàgny, da magnano veloma anareo miaraky amin'i Koarto rahalà.
24
[Fagnamarihagny: Ny fandikagny taloha tsara indrindra da mangalaky ity andininy ity. (Taragno e Romana :16:20).and 24: "Ho aminareo agnaby anie gne fahasoava'ny Tompontsika Jesosy Kristy. Amena."]
25
Sady gne voninahitry ho an'Azy izay mahavita mampijoro anareo araky gne filazantsarako izy ame fitoriagny an'i Jesosy Kristy, araky gne fagnambaragn'e mistery izay notazomigny ho tsy ambaratelo ela be taloha tagny,
26
kanefa nambara amin'izao fotoagny izao,sady tame gn'alalan'e bokin'e faminaniagny gne nampahafantaragny tame firenegny agnaby, araky gne didin'Andriamanitry mandrakizay, ho fagnekegny gne finoagny.
27
Ho an' Andriamanitry raikin'e fahendregny, anie gne voninahitry mandrikizay, ame gn'alalan'i Jesosy Kristy. Amena.
1 Corinthians
Chapter 1
1
Paoly, natsovan'i Jesosy Kristy mba ho apôstôly noho gne sitrapon'Andriamanitry, izy amin'i Sostena ralàntsika,
2
ho an'e fiangonan'Andrimanitry ao Korinto, ho andreo izay vôhasigny tao amin'i Kristy Jesosy, da vôantso ho olo masigny. Manoratry ho anareo aby izay mangahiky gn'agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'e toeragny agnaby avakoa iay, gne Tompon-dreo izy sy antsika.
3
Ho aminareo gne fahasoavagny izy ame fiadanagny avy amin'Andriamanitry Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4
Iao da magnome fisaoragny ho an'Andriamanitriko ho anareo noho gne fahasoavan'Andriamanitry izay nomen'i Jesosy Kristy anareo.
5
Naniny nanakankaregny tamin'e fomba agnaby anareo, tame fizakagny agnaby sy gne fahalalagny agnaby ,
6
râ vao voaporofo taminareofa marigny gne fagnambaragny momban'i Kristy.
7
Noho izany anareo da tsy hijaly fagnomezam'pahasoavagny eo am-pandignasanareo gne fagnambaragny an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
8
Izy avakoa da hampiorigny anareo hatrame farany, mba tsy hana-tsigny anareo amign'andron'i Jesosy Kristy Tompontsika.
9
Matokia Andriamanitry, izay nangahiky anareo ho ame firasaigny amin'e Zanany lahy, Jesosy Kristy Tompontsika.
10
Amizao da mamporisiky anareo iao, rô ralà, amin'e gn'agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifagnaraky anareo aby, sady tsy hisy fisarahagny eo agnivonareo. Mamporisiky iao mba hikambagny amin'e saigny mitovy sy tanjogny mitovy anareo.
11
F'efa nanigny mazava taminà, rô ralà, tamign'alalan'e fonkonolon'i Kloe fa misy fifampiandaniagny gn'aminareo.
12
Gne tiako ambara da izao: Gne tsiraikiraiky aminareo samby magnano hoe: "Iao miaraky amin'i Paoly," na "Iao miaraky amin'i Apolosy, " na " Iao miaraky amin'i Kefasy, " na " Iao miaraky amin'i Kristy.
13
" Vôzarazara me Kristy? Paoly me nofatsiagny ho anareo? tamign'agnaran'i Paoly me gne namboarigny batisa anareo?
14
Misaotry an'Andriamanitry iao fa tsy nisy namboariko batisa anareo, afa-tsy Krispo sy Gaio.
15
Izany da mba tsy hafahan'ia ndre ia mizaka hoe tamign'agnarako e namomboaragny batisa anareo.
16
(Iao avakoa da nagnano batista gne tokatragnon'i Stefanasy. Gne akôatr'izay, tsy fantatriko râ nagnano batisa olo hafa iao.)
17
Fa tsy ampagnano batisa gne nagnirahan'i Kristy anà fa hitory gne filazantsara. Izy tsy nandefa anà hitory amin'e zakan'e fahendregn'olombelogny, mba tsy ho foagny gne herin'e hazofijalian'i Kristy.
18
Fagne hafatry momba gne hazo fizaliagny da fahadalagny amin'ireo izay ho faty. Fa eo amindreo izay ho vonjen'Andriamanitry, da herin'Andriamanitry izany.
19
Fa vôsoratry hoe: "Ho potehiko gne fahendren'e hendry. Ho foagnako gne fahalalan'e mahay. "
20
Aia gn'olon-kendry? Aia gne mpanora-dalàgny? Aia gne mpiady hevitry an'izao tontolo zao? Sa tsy nadik'andriamanitry ho fahadalagny me gne fahendren'izao tontolo zao?
21
Satria tsy nahalala an'Andriamanitry izao tontolo zao tamign'e fahendregny, da sitrak'Andriamanitry, gne hamojegny ireo izay mino amign'alalan'e fahadalagn'e fitoriagny.
22
Fa indreo Jiosy da mangataky famantaragny mahagaga sady ireo Grika mitadia fahendregny.
23
Fa iay mitory an'i Kristy vôfantsiky, izay vato fanafintohinagny ho an'ireo Jiosy da fahadalagny hoan'ireo Grika.
24
Fa ho andreo izay vôantson'Andriamanitry, na indreo Jiosy sy indreo Grika, da mitory an'i Kristy akô gne hery sy fahendren'Andriamanitry iay.
25
Fa gne fahadalan'Andriamanitry da hendry noho gn'olo, sady gne fahalemen'Andriamanitry da matanjaky noho gn'olo.
26
Heritreto gne fagnatsovagny anareo, rô ralà. Tsy maro taminareo. Vitsy aminareo gne hendry râ gn'ame maha olombelogny. Tsy maro taminareo gne nahery. Tsy maro taminareo gn'avo filazarantsara.
27
Fa Andriamanitry da nisafidy ireo raha adalan'izao tontolo zao mba hampahamegnatry gne hendry. Andriamanitry da nisafidy izay malemy eo amin'izao tontolo zao mba hampahamegnatry gne matanjaky.
28
Andriamanitry da nisafidy izay ambany sy hamavoigny eto amin'izao tontolo zao. Ndre Izy azaky da nifidy ireo râ izay noheveriny ho tsinotsinotsinogny, mba hahavy tsinotsinoa ireo râ izay atao ho manan-danja.
29
Naniny izany mba tsy hisy hanagny antony hirehareha eo agnatrehany.
30
Nohon'e nanin'Andriamanitry, amizao anareo da ao amin'i Kristy Jesosy, izay lasa fahendregny ho antsika avy amin'Andriamanitry. Izy da lsasa fahamarinantsika, fahamasinan tsika sady fahafahtsika.
31
Vokatr'izay, arak'izany mirehareha, hirehareha ao amin'e Tompo. "
Chapter 2
1
efa nagnatogny aminareo iao, rô ralà, da tsy avy niaraky taminà lahateny na fahendregny iao râ nagnambara gne mistery momban'Andriamanitry. Fagnamarihagny: Gne dika-teny maro hafa da mivaky akô izao hoe: "Râ nagnambara gne fijoroagny vavolombelogny momban'Andriamanitry iao. "
2
Fa nanapa-kevitry tsy nahalala ndre ino ndre ino iao refa taminareo, afa-tsy Jesosy Kristy, sy Izy voafantsiky.
3
Sady niaraky taminareo iao Tamign'e fahalemegny, sy tamin'e tahotry, sady tamin'e fagnovitagny zakabe.
4
Sady gne hafatriko sy gne fagnambarako da tsy tamin'e zaka fandresen-dahatry gne fahendregny. F'izy, ireo da tamin'e fagnambaragny fagnahy sy hery, 5mba tsy ho ao ame fahendregn'olombelogny gne finoanareo, fa ao amin'e herin'Andriamanitry.
6
Amizao da tena mizaka fahendregny eo aminareo matotry, fa tsy gne fahendren'izao tontolo izo, na gn'andreo mpanampaky izao vanin'andro izao, izay mandalo avao.
7
F'izy mizaka gne fahendren'Andriamanitry ame fanamarihagny miafigny isika, gne fahendregny miafigny izay notendren'Andriamanitry mialoha gne vanin'andro agnaby ho voninahintsika.
8
Tsy nisy taminareo mpanapak'izao andro izao gne nahafantatry io fahendregny io, fa râ nahatakatry izany indreo tamizany fotoagny izany, da tsy ho nofantsian-dreo e Tompon'e voninahitry.
9
Fa araky izay voasoratry hoe: "Ireo râ izay nisy maso nahita, tsy nisy sofy nahare, tsy nisy eritnreritry nahazo an-tsaigny, ireo râ izay nomanin'Andriamanitry ho an'ireo tia Anazy. "
10
Io râ naboakin'Andriamanitry taminay tamign'alalan'e Fagnahy. Fa gne Fagnahy da mitadia gne râ, na da ireo râ lalin'Andriamanitry azaky.
11
Fa ia gne mahafantatry gne fisaign'olo raiky afa-tsy gne fagnahin'olo aminazy? Arak'izany, tsy mis mahafantatry ireo râ lalin'Andriamanitry afa-tsy gne Fagnahin'Andriamanitry.
12
Fa tsy nangalaky gne fagnahin'izao tontolo izao isika, fa gne Fagnahy izay avy amin'Andriamanitry, mba hafahantsika mahafantatry ireo râ ireo omengy antsika maimaimpoagny avy amin'Andriamanitry.
13
Mizaka momba ireo râ ireo ame zaka izay tsy hain'e fahendregn'olombelogny ampianarigny iay, fa izay ampianarin' e Fagnahy anay. Gne Fagnahy gne mandiky e zaka ara-pagnahy miaraky ame fahendregny ara-pagnahy.
14
Gn'olo izay tsy ara-pagnahy da tsy mandray ireo râ ireo izay an'e Fagnahin'Andriamanitry, satria fahadalagny aminazy izany. Tsy afa-mahalala an'izany izy satria famantaragny ara-pagnahy izany.
15
Izay ara-pagnahy da mitsara gne râ agnaby, fa tsy iharan'e fitsaran'e hafa izy.
16
"Fa ia gn'afaky hampianatry Anazy?" Fa iay da tsy managny gne fisaignan'Kristy.
Chapter 3
1
Sady iao, rô ralà, da tsy afaky mizaka akô gn'olo izay ara-pagnahy, f'izy akô ara-nofitry, akô gne zaza ao amin'i Kristy.
2
Nofohagnako ronono anareo, fa tsy ventin-kanigny, satria tsy vonogny tamizany anareo; sady ndre amizao azaky da tsy vonogny amizany anareo.
3
Satria anareo mbola arak'e nofitry. Fa ndre aia misy fahasarotam-piaro sy fifandiragny ao aminareo, tsy miaigny arak'e nofitry me anareo, sady tsy mandeha amin'e fenitry gn'olombelogny?
4
Fa refa misy raiky mizaka hoe: "Iao magaraky an'i Paoly," sady gne raiky mizaka hoe: "Iao magnaraky an'i Apolosy," da tsy miaigny akô gn'olombelogny avao me anareo?
5
Ia me Apolosy? Ia Paoly? Mpaompo izay tamign'alalan'e ninoanareo, izay noman'e Tompo asa aby.
6
Iao gne namboly, Apolosy gne nanondraky, fa Andriamanitry gne nampitombo.
7
Da noho izany, ndre izy izay mamboly ndre izy izay manondraky da tsy misy dikany. Fa Andriamanitry gne mampitombo
8
Sady izy izay mamboly sy izy izay manondraky da raiky avao, sady gne tsiraikiraiky da samby hahazo gne karamany aby araky gn'asany.
9
Fa iay da mpiara-miasa amin'Andriamanitry. Anareo da tanin'Andriamanitry, sy tragnon'Andrimanitry.
10
Araky gne fahasoavan'Andriamanitry izay nomegny anà akô gne mpagnano tragno mahay, da nametraky gne fototry iao sady hafa gne magnorigny eo amboniny. Fa aokygne lelà tsiraikiraiky hitandrigny gn'amin'e fomba hagnorenagny gn' amizany.
11
Fa tsy misy olo mametraky fototry afa-tsy e raiky izay napetraky, da, Jesosy Kristy.
12
Amizao râ misy olo magnorigny eo ambonin'e fototry amin'e volamena, Volafotsy, vato sarobidy, kakazo, bozaky, na mololo,
13
da haboaky gn'asany, fa gn'andro mazava gne haboaky izany. Satria haboaky amin'e afo izany, Gn'afo gne hitsapagny gne hatsaran'e naton' e tsiraikiraiky.
14
Râ mitoetry gn'asan'olo, da hahazo valisoa izy;
15
fa râ may gn'asa'olo, da ho fatiantoky izy, fa izy tegnany da ho vonjegny, akô gne nileta tamign'afo avao
16
Tsy lalanareo me fa anareo da tempolin'Andriamanitry sady gne Fagnahin'Andriamanitry e mitoetry ao aminareo?
17
Râ misy olo manimba gne tempolin'Andriamanitry, da hanimba izany olo izany Andriamanitry. Fa masigny gne tempolin'Andriamanitry, sady akô izany koa anareo.
18
K'apetraky hisy olo hamita-tegnà. Râ misy olo eo aminareo mihevitry fa hendry izy amizao vanim-potoagny izao, avelay izy ho lasa "mola" amizay mba mety ho lasa hendry izy.
19
Fa gne fahendren'izao tontolo izao da fahadalagny eo amin'Andriamanitry. Satria voasoratry hoe: "Nahatratry g e hendry tamign'e hafetsendreo Izy."
20
Sady koa hoe: " Gne Tompo da mahalala fa gne fihevitry gne hendry da zava-poagny. "
21
Noho izany tsy misy fireharehagny mombagn'olo esanaky! Fa ge râ agnaby da anareo,
22
ndre Paoly, ndre Apolosy, ndre Kefasy, ndre izao tontolo izao, ndre fiainagny, ndre fahafatesagny, ndre râ amizao, dre râ ho avy. Gne râ agnaby da anareo,
23
sady anareo da an'i Kristy, da Kristy da an'Andriamanitry.
Chapter 4
1
Da akô izao e tokony handraisan'olo antsika, akô gne mpanompon'i Kristy sady mpitandrigny ireo misterin'Andriamanitry.
2
Amizany fifandraisagny izany, da fepetry takegny aminareo mpitandrigny gne maha-mendri-pitokiagny anazy ireo.
3
Fa aminà da râ kidy avao e tokony hitsaranareo na hutsaragn'olombelogny agnaby anà. Fa ndre iao a, aky tsy mitsara gne tegnako.
4
Iao da tsy malala izay fitoriagny nanigny taminà, fa izany da tsy midika fa tsy manan-tsigny iao. Gne Tompo e mitsara anà.
5
Noho izany, ka mizakazaka fitsaragny momban'e râ agnaby mialohan'e fotoagny, mialohan'e hiavian'e Tompo. Izy da hinday ireo zava-miafin'e mizigny ho amin'e fahazavagny sady hagnaboky gne fikasan'e fo. Avy eo gne tsikiraikiraiky aby da angalaky gne fideragny avy amin'Andriamanitry.
6
Amizao, rô ralà, nampihatry ireo fitsipiky ireo taminà sy tamin'i Apolosy iao nohogn'aminareo, mba ahafahanareo mianatry avy amnay gne dikan'e fizakagny hoe: "Ka mandeha mihôtry izay vôsoratry." Izany da mba tsy hisy raiky aminareo hirehareha gn'amin'e fankasitrahagny gne raiky nohon'e hafa.
7
Fa ia gne mahita e fahasambiafahagny eo aminareo sy ireo hafa? Ino gn'anagnanareo da tsy noraisinareo maimaimpoagny? Râ nandray izany maimaimpoagny anareo, nagnino anareo gne mirehareha akô gne tsy nagnano akô izany?
8
Efa anagnanareo aganaby izay rehetra tadiavinareo! Efa lasa mpanakaregny anareo! Sady efa nanomboky nanjaka anareo- sady izany da tsy avy taminay! Iao da magniry tokôtry gn'anjakanareo, mba hafahanay manjaka miaraky aminareo.
9
Fa iao da mieritreritry fa Andriamanitry da nametraky antsika ho apostoly miharihary akô gne farany amin'e laharagny sy akô gn'olo vôheloky ho faty. Iay da lasa fampisehoagny ho an'izao tontolo izao-ho an'ireo anjely, sady gne ho an'e olombelelogny.
10
Iay da mola nohon'e amin'i Kristy, fa anareo da hendry ao amin'i Kristy. Malemy iay, fa anareo mahery. Anareo da nomem-boninahitry, fa iay avakoa tsy nalaim-baraky.
11
Amizao iay da mosargny sy mangetaheta, sahiragny fitafiagny, voafiky mafy, sady tsy manan-kialofagny.
12
Miasa mafy iay, miasa amign'alalan'e taganay avao. Refa latsaigny iay, da mitso-drano.
13
Refa vôendrikendriky iay, damizaka amin-katsaram-pagnahy. Iay da niova, sady mbzola raisignyho, fakon'izao tontolo izao sy fekan'e râ agnaby.
14
Iao da tsy nanoratry ireo râ ireo mba hahamegnatry anareo, fa magnitsy anareo akô gne zanaky malalako.
15
Fa ndre da managny mpiambigny raiky aigny ao amin'i Kristy azaky anareo, da tsy managny aba maro be. Fa iaoda lasa rainareo ao amin'i Kristy Jesosy tamign'alalan'e filazantsara.
16
Noho izany da mamporisiky anareoiao mba ho mpangala-tahaky anà.
17
Izany gne nandefasako anareo agn Timoty, zanaky malalako sady mahatoky ao ame Tompo. Izy da hampatsihahy anareo ireo lalagniko ano amin'i Kristy, akô gn'ampianarako andreo ndre aia ndre aia sy aoame fiangonagny agnaby.
18
Amizao da lasa miavogny gne sanany aminareo, magnano akôgne hoe tsy ho avy agny aminareo iao.
19
Fa ho avy tsy ho ela aminareo iao, râ sitrak'e Tompo. Sady tsy hahalala gne zakan-dreo izay tena miavogny avao, fa hahita gne herindreo.
20
Satria gne fanjakan'Andriamanitry da tsy mifototry ame resaky fa amin'e hery.
21
Ino gne tadiavinareo? Tokony ho avy agny aminareo miaraky amin'e tsorakazo sa miaraky amin'e fitiavagny feno halemem-pagnahy?
Chapter 5
1
Iay da naharegny tatitry fa misy fijangajangagny eo aminareo, karazagny fitondran-tegna tsy mendriky izay tsy azo atao mihitsy eo ame jentilisa. Gne tatitry da hoe misy raiky aminareo miaraky ame vadin'iabany.
2
Anareo da tena miavognavogny! Fa tsy tokony alahelo me anareo? Gne raiky izay nagnano an'izany da tsy maintsy alagny eto aminareo.
3
Fa ndre da tsy eo am-batagny azaky iao fa mbola eo am-pagnahy, da efa nitsara e raiky izay nagnano an'izany sahady, ohatrany hoe teo iao.
4
Refa miara-mivory ame agnaran'i Jesosy Tompontsika anareo , sady gnr fagnahiko da eo koa ame herin'i Jesosy Tompontsika, da efa nitsara io olo io sahady iao.
5
Naniko izany mba hanoloragny an'izany lelà izany ho an'ny Satana ho famotehagny gne nofotry, mba ho voavonjy gne fagnahiny ame androny tompo.
6
Tsy tsara gne fireharehanareo! Tsy lalanareo me fa gne lalivay kidy da magnova gne mofo agnaby?
7
Diovy gne tegnanareo ame lalivay taloha mba ho lasa mofo vaovao anareo, ka mba ho lasa mofo tsisy lalivay. Fa Kristy, e Zanak'ondrintsika tame paska, da nanigny sorogny.
8
Noho izany da aoky atsika hankalaza gne firavoravoagny, tsy ame lalivain'e fitondran-tegna ratsy izy ame faharatsiagny. Fa kosa, aoky atsika hankalaza ame mofo tsisy lalivain'e fahadiovam-po izy ame fahamarignagny.
9
Iao da nanoratry ho anareo tao ame taratasiko mba tsy hiarahanareo miasa ame olo mpijangajanga.
10
Kanefa gne tiako ambara da tsy gne olo mpijangajanga agnaby eto am'izao tontolo izao, na e tsy mahonon-tegna, na e mpisoloky, na e mpanompo sampy, satria mba hialagny amindreo da mila miala am'izao tontolo izao anareo
11
Nefa amizao fotoagny izao iao manoratry ho anareo mba tsy hiara-hiasa miaraky amin'ia na ia izay antsoigny hoe rahalà nefa miaigny ao agnatin'e fijangajangagny, na izay tsy mahono-tegna, na mpanompo sampy, na mpizaka ratsy, na mpihina toky, na mpisoloky. Ka mihinagny hanigny miaraky ame olo ako izany mihitsy.
12
Fa akognaia gn'idirako ame fitsaragny izay agny ambadik'e fiangonagny? Mifanohitry amizany, anareo me tsy tokony hitsara izay ao agnatin'e fiangonagny?
13
Fa Andriamanitry da mitsara izay agny ambadiky. "Alay eo aminreo gne olon-dratsy."
Chapter 6
1
Refa misy raiky aminareo managny ady ame raiky hafa, sahy handeha agny ame fitsaragny eo agnatrehan'e mpitsara tsy mpino me izy, fa tsy eo agnatrehan'e mpino?
2
Tsy lalanareo me fa e mpino gne hitsara an'izao tontolo izao? Raha izany, anareo gne hitsara an'izao tontolo izao, tsy mahavita mandamigny raharaha madiniky me anareo?
3
Tsy lalanareo me fa hitsara anjely atsika? akognaia, noho izany, gne fihoaran'e fahafahantsika mitsara ireo raharaha am'ity fiainagny ity?
4
Raha ohatry ka afaky mitsara gne raha izay miboaky ame andavanandrom-piainagny anao, nagnino anao mametraky karazagny tranga akô izany eo agnatrehan'izay tsinotsinogny ao ame fiangonagny?
5
Hahamegnatry anareo gne hizakako an'izany. Tsy mba misy ampy fahendregny ndre da raiky me eo aminareo handamigny gne disadisa eo ame mpirahalà?
6
Fa kosa, misy mpino raiky mandeha mifagnatriky ame mpino hafa eo ame fitsaragny, sady izany raharaha izany da hapetraky eo agnatrehan'e mpitsara izay tsy mpino!
7
Gne fisian'e ady eo aminareo kristiana agnaby da efa faharesegny ho anareo sahady. fa tsy aleo me avela ho voafitaky gne tegnanareo?
8
Fa anareo da nandiso sady namitaky gne hafa, sady da rahalànareo avao indreo!
9
Tsy lalanareo me fa gne tsy marigny da tsy handova gne fanjakan'Andriamanitry? K'aza mino vandy. Gne vetaveta , gne mpanompo sampy, gne mpijangajanga, gne lelà mpivaro-tegna, gne miara-mandry ame samby lelà,
10
gne mpangalatry, gne tsy mahalala onogny, gne mpihina tôky, gne mpagnano ratsy, gne mpagnano an-keriny -tsisy raiky amindreo handova gne fanjakan'Andriamanitry.
11
Akô izany gne sasany aminareo. Fa efa voadio anareo, nohamasinigny anareo, sady voamarigny tamin'Andriamanitry anareo tame agnarany Tompo Jesosy Kristy izy ame Fagnahin'Andriamanitsika.
12
"Gne raha agnaby da ara-dalagny amina," fa tsy gne raha agnaby gne mahasoa. "Gne raha agnaby da ara-dalagny amina," fa ho andevozin'e raiky amin'io iao.
13
"Gne hanigny da ho an'e troky, sady gne troky nanigny ho an'e hanigny," fa Andriamanitry da agnafohagny andreo roy. Gne vatagny da tsy nanigny ho an'e fijangajangagny. Fa kosa, gne vatagny da nanigny ho an'e Tompo, sady gne Tompo da hagnome ho an'e vatagny.
14
Andriamanitry da efa nanangagny gne Tompo sady hanangagny atsika ame heriny koa.
15
Tsy lalanareo me fa gne tegnanareo da ratsam-batan'i Kristy? Ka hindesiko me izany gne ratsam-batan'i Kristy da ho ampiresiko ame mpivaro-tegna indreo? Da raha tsy hisy izany!
16
Tsy lalanareo me fa izay miaraky ame mpivaro-tegna da lasa nofotry raiky amin'azy? akô gne voazakan'e Soratry Masigny hoe: "Ho nofotry raiky avao indreo roy."
17
Fa izy izay miray ame Tompo da lasa fagnahy raiky amin'Azy.
18
Hialao gne fijangajangagny! gne fahotagny izay ataon'olo agnaby da ambadikin'e tegna, fa gne olo mpijangajanga da manota ho ame tegnany avao.
19
Tsy lalanareo me fa gne vatanareo da fiangonan'e Fanahy Masina, izay mipetraky ao agnatinareo, izay azonareo avy amin'Andriamanitry? Tsy lalanareo me fa tsy anareo gne tegnanareo?
20
Fa olo voavidy anareo . Noho izany da mankalazà an'Andriamanitry ame tegnanareo. [Fagnamarihagny: Gne dika-teny taloha sasany da mivaky akô izao hoe: "Noho izany mankalazà an'Andriamanitry ame tegnanareo izy ame fagnahinareo, izay an'andriamanitry." Fa gne dika-teny tsara be da tsy mivaky akô io.]
Chapter 7
1
Da mahakasiky ireo olàgny izay nosoratanareo momban'e hoe: "Tsara ho an'e lelà gne tsy mikasiky viavy."
2
Nefa noho ireo fakam-pagnahy amin'e fahavetavetagny maro isan-karazany, da tokony hanagny e vadiny manokagny aby e lelà tsiraikiraiky, sady viavy tsikiraikiraiky da tokony hanagny e vadiny manokagny aby.
3
Gne lelà da tokony hagnomé ireo zo ara-panambadiagny ho an'e vadiny, sady akô izany avakoa gne viavy ho an'e vadiny.
4
Tsy gne viavy e managny fahefagny amin'e vatany manokagny, fa e vadiny. Akô izany koa, tsy gne lelà e managny fahefagny manokagny amin'e vatany manokagny, fa e vadiny gne namany.
5
Ka mifanakasakagny anareo tsiraikiraiky, afa-tsy amin'e fifagnarahagny nifanaovagny sady amin'e fotoagny voatokagny. Amboaro izany mba ahafahanareo manokan-tegnà amin'e vavaky. Avy eo da tokony hiara-hatory indraiky anareo, da tsy ahafahan'e Satana managalaky fagnahy anareo nohon'e tsy fanagnanareo fifehezan-tegnà.
6
Kanefa iao da mizaka ireo râ ireo aminareo am-pahalalàgny fa tsy hoe didy.
7
Iriko gn'olo agnaby ho akô anà. Fa gne tsiraikiraiky da samby managny gne fagnomezam-pahasohavagny manokagny avy amin'Andriamanitry. Gne raiky managny ity karazam-pagnomezam-pahasoavagny ity, sady e raiky hafa managny karazany hafa koa.
8
Ho an'ireo izay tsy manambady sy ireo mpivanotry da mizaka iao fa tsara ho anazy ireo râ mijanogny tsy manambady indreo, akô anà.
9
Kanefa indreo râ tsy afaky mamehy tegna, da tokony hanambady. Satria tsara tokotry ho andreo gne manambady akô izay ampirehetin'e filàna ara- nofitry.
10
Sady ho an'ireo izay manambady da magnome izao didy izao iao- tsy iao, fa e tompo- gne viavy da tsy tokony hisaraky amin'e vadiny,
11
(fa râ ohatry izy e misaraky amin'e vadiny, da tokony hijanogny tsy manambady na koa miverigny mihavagny amin' e vadiny)-sady gne lelà da tsy da tokony hisaraky amin'e vadiny.
12
Fa ho an'e sisa da mizaka io-iao, fa tsy e tompo- hoe râ misy ralà raiky managny vady tsy mpino, sady râ maharavo anazy e miara-mihinagny aminazy, da tsy tokony hisaraky amin'e vadiny izy.
13
Râ gne viavy raiky e managny vady tsy mpino, sady râ maharavo anazy gne miara-mihinagny aminazy, da tsy tokony hisaraky amin'e vadiny izy.
14
Satria gne lelà tsy mpino da natokagny nohonamin'e vadiny, sady gne viavy tsy mpino da natokagny nohon'e gnamin'e ralà. Fa râ tsy izany da ho maloto e zanakareo, nefa râ gne marigny da efa voatokagny indreo.
15
Fa râ gne vady tsy kristiany e mandeha , avelay izy andeha. Amin'e toe- javatry akô izany, gne ralà na gne rahavavy da tsy voahafehin-dreo voadin-dreo. Andriamanitry da nangahiky antsika gne hiaigny am-piadanagny.
16
Fa amin'e fombaa akôgnaià e ahalalanao, rô viavy, râ ho voavonjinao e vadinao? Ndre amin'e fomba akôgnaià gn'ahalalanao, rô lelà, râ ho voavonjinao e vadinao?
17
Fa avelay heky tsiraikiraiky aby hiaigny gne fiainagny izay efa nanendren'e Tompo anazy, sady araké gn'efa ningehan'Andriamanitry anazy. Io e fitsipiko amin'e fiangonagny agnaby.
18
Efa voafora me gn'olo raiky refa nangegny da hino? Izy da tsy tokony hiezaky hisehoseho akô gne tsy voafora. Tsy voafora me gn'olo raiky refa nangegny ho amin'e finoagny? Tsy tokony ho foraigny izy.
19
Satria tsy gne famoragny na gne tsy famoragny e zava-dehibe. Gne zava-dehibe da gne fankatoavagny ireo didin'Andriamanitry.
20
Gne tsiraikiraiky aby da tokony hipetraky amin'e fiantsoagny izay nisy anazy refa nantsoin'Andriamanitry da hino izy.
21
Andevo me anao fony Andriamanitry nangahiky anao? Ka misalasala gn'aminizany. Fa râ mety ho afaky anao, da araraoty izany.
22
Satria gn'olo raiky zay nangegn'e Tompo ho andevo da olo afaky e Tompo. Da akô izany gn'olo izay afaky fony izy nangegny mba hino da andevon'i Kristy.
23
Anareo da voavidy, noho izany da aza avy akô ireo andevon'e gn'olo.
24
Rô ralà, ndre da ino ndre da ino fiainagny misy atsika tsiraikiraiky fony itsika nantsovagny mba hino, da aoky itsika hipetraky akô zany.
25
Sady mahakasiky ireo zay tsy nanambady mihitsy, iao da tsy managny didy avy agny ame Tompo. Nefa iao da magnome gne hevitro akô gne raiky zay, ame alalan'e famindram-pon'e tompo, da mendri-pitokisagny.
26
Noho zany, mieritreritry iao fa nohon'e loza zay ho avy, da tsara ho an'e lelà gne mijanogny ame maha izy an'azy.
27
Voafatotry ame viavy me anareo? Aza mitady gne ho afaky amin'azy. Afaky ame vadinao me anao? Aza mitady vady. Nefa raha tsy manam-bady anareo da tsy nanota.
28
Raha gne viavy tsy manambady gne manambady, dia tsy nanota izy. Nefa ireo zay manambady da hanagny karazagn'ologny maro raha mbola velogny, sady iao da te hangala anareo amin'zany.
Fa zao gne zakaiko, rô ralà: Foiky gny gne fotoagny. Manomboka zao, aleo zay efa manam-bady hiaigny akô gne tsy managny. Ireo zay mitomagny da tokony hagnano ho akô gne tsy mitomagny, ireo zay mifaly ho akô gne tsy mifaly, sady ireo zay mividy ho akô gne tsy managny ndre ino ndre ino; Sady ireo zay mampiasa zao tontolo zao da tsy tokony hagnano akô gne mampiasa zany tanteraky. Satria zao tontolo zao ame andrikiny amin'zao fotoagny zao da ho tonga ame fiafaragny.
32
Tiako anareo ho afaky ame ahiahy . Gne lelà tsy manambady da miahiahy gne ame rahan'e Tompo, gne ame fomba hampifaliagny anazy.
33
Fa gne lelà manambady da miahiahy gne ame zavatr'zao tontolo zao, gne ame fomba hampifaliagny gne vadiny-
34
mizarazara izy. Ne viavy tsy manambady na virjiny da miahiahy gne ame rahan'e Tompo, gne fomba hanokanagny ame tegna da gne fanahy. Fa gne viavy manambady da miahiahy gne ame rahan'zao tontolo zao, gne ame fomba hampifaliagny gne vadiny.
35
Zakaiko zany ho an'e tombotsoanareo manokqgny , fa tsy hametraky zay sakantsakagny agnaby eo aminareo. Mizaka zany iao noho zay marigny, amin'zay anareo mba hanolo-tegnanho an'e Tompo tsy misy fanelingelenagny.
36
Nefa raha misy ologny raiky mihevitry fa tsy mitondra gne fofom-badiny am-panajagny- raha mihoatry gne taognan'e fanambadiagny e viavy sady tsy maintsy akô zany- da to tokony hagnano zay tiany izy. Tsy manota izy. Tokony hivady indreo.
37
Nefa raha nikasa tsara tao am-pony izy, raha toa ka tsy ambany faneriteregny fa afaky mifehy ne sitrapony manokagny, sady raha manapa-kevitry tao am-pony izy gne Hagnano zany, mba hitazomagny gne fofofmbadiny ho virjiny, da tsara gne amboariny.
38
Koa zay manambady gne fofombadiny da magnano tsara, sady zay manambady da hagnano gne tsaratsara kokoa aza.
39
Gne viavy da voafatotry gne vadiny raha mbola velogny ralelà. Fa raha maty gne vadiny, da malalaky tsara izy gne hanambady zay tiany ho vadiagny, nefa ao ame Tompo avao.
40
Nefa ame fitsarako da tokony ho faly kokoa izy raha miaigny amin'zao avao. Sady heveriko fa iao avakoa da managny gne Fanahin'Andriamanitry.
Chapter 8
1
Da mankasitraky gne atao sorogny ho an'gne sampy- fantatritsika fa: " Isika agnaby da managny fahalalagny. " Gne fahalalagny mampirehareha, fa gne fitiavagny manangagny.
2
Raha misy olo raiky mihevitry gne tegnany fa mahafantatry ra, da mbola tsy mahafantatry araky gne tokony hahafantarany izany olo izany.
3
Fa raha misy olo raiky tia an'Andriamanitra, da fantatrany izany olo izany.
4
Ka Raha gne mahakasiky gne fihinanagny hanigny nanigny sorogny ho an'e sampy- da fantatry tsika fa "gne sampy etoa amin'izao tontolo izao da tsinotsinogny" sady " tsy misy Andriamanitry afa-tsy raiky avao."
5
Fa misy the mody hangizagny hoe andriamanitry, na a an-dagnitry na an-tany etoa, ako gne hamarozan'gne "andriamanitry" sy gne hamarozan'e "Tompo."
6
Fa ho antsika, "Raiky avao the Andriamanitra da e Ray,izay avy ame ra marobe, da Izy gne antony hivelomatsika, da iray the Tompo Jesosy Kristy, izay taminin'gne alalany e nampisy gne ra marobe, da taminin'gne alalany gne nampisy antsika."
7
Ndre izany aza, izany fahalalagny izany da mbola tsy ame tsiraikiraiky. F'izy, gne sasany taloa da nampiasa gne fanompoan-tsampy, da nihinagny izany sakafo izany ako hoe ra ninigny sorogny ho an'e sampy izany. Noho izany da smba gne fieritreretan-dreo satria malemy izany.
8
Fa tsy gne hanigny the hanolotry antsika eo amin'Andriamanitry. Fa tsy ratsy indrindra isika raha tsy mihinagny izany.
9
Tandremo mba tsy gne fahalalanareo gne antony hahatonga gne olo osa ara-pinoagny ho tafitohigny.
10
Fa hanio ako misy maita anao, izay managny fahalalagny, mihinagny gne sakafo ao amin'gne fiangonan'e sampy. Tsy gne fahalemen'gne fieritreretany ve gne nasahiany hihinagny izay natolotriny ho an'gne sampy?
11
Ka nohon'gne fahalalanao gne toetra Marina momba gne sampy, da very gne ralah malemy finoagny raiky, izay nahafatesan'i Kristy.
12
Noho izany, rehefa magnotany magnotany amin'e rahalahinareo anareo ka mandratry gne saigny malemin-dreo, da magnota manohitry an'i Kristy anareo.
13
Noho izany, raha gne sakafo gne mahatonga gne rahalako ho tafitohigny, da tsy hihinan-kena esanaky, mba tsy avy aminà gne hahalavo gne rahalako.
Chapter 9
1
Tsy olo hahaky me anao? Tsy apostoly me iao? Tsy naita an'i Jesosy Tompotsika me iao?
2
Raha tsy apostoly ho an'gne hafa iao, da farafaharatsiny Apostolyho anareo. Fa anareo gne porofo aminin'gne maha-apostoly ana amin'gne Tompo.
3
Izao gne fiarovako amin-dreo izay magnadihady ana:
4
Iai me ko tsy mahazo alalagny gne hihinagnysy hisotro?
5
Iai me ko tsy mahazo mitondra vady mpino, ako gnanin'gne apostoly sasany, sy gne ralan'e Tompo, da Kefasy?
6
Sa Barnabasy sy iao raiky gne tsy maintsy miasa?
7
Ia gne magnano fanompoagny miaramila amin'e fandaniagny manokagny? Ia gne mamboly voaloboky da tsy mihinagny gne voany? Na ia gne miandry ondry ka tsy misotro gne ronono avy amin'izany?
8
Iao me mizaka an'io ra io mifototry amin'gne fahefan'e olomgelogny? Tsy mizaka izany avokoa me gne lalàgny?
9
Fa izany da efa voasoratry ao amin'gne lalàn'i Mosesy hoe: "Ka fiezigny gne vava gne aomby ra miely voa izy." Tena gne aomby marina me gne hiahian'Andriamanitry?
10
Tsy miresaky momba anay me izy? Efa nosoratany ho antsika, fa izay tagny da tokony hiasa amin,gne fanantenagny, sady izaymively da tokony hively amin'gne fanantenagny gne hahazo anjara amin'e vokatry.
11
Raha namafy ra ara-panahy taminareo iai, be lotry aminay me gne mijinja ra ara-materialy avy aminareo?
12
Raha mampihatra izany zo izany avy aminareo gne hafa, iai me ko tsy managny miotry? Ndre izany aza, tsy nitaky izany zo izany iai. F'izy, naleonay niaritry gne ra marobe toy izay ho sakagny ho an'gne filazantsaran'i Kristy.
13
Tsy fantatrinareo me fa gne manompo amin'gne fiangonagny da mahazo gne sakafon-dreo avy ame fiangonagny? Da tsy fantatry nareo avokoa me fa gne manompo amin'gne alitara da mahazo anjara amin'gne naniny fanatitry tamin'gne alitara?
14
Ako izany koa, e Tompo da nandidy fa gne mitory gne filazantsara da tokony hahazo gne fivelomandreo avy amin'gne filazantsara.
15
Nefa tsy nitaky ndre raiky tamin'ireo zo ireo iao. Tsy manoratry an'izao iao mba hisy ra ho anigny ho ana. Aleoko maty toy izay hisy olo hangala amina anizany rehareha izany.
16
Fa raha mitory gne filazantsara iao, da tsy misy antony tokony ireharehako, satria tsymaintsy magnano izany iao. Da loza ho ana raha tsy mitory gne filazantsara iao!
17
Fa ra magnano anizany amigne sitrapo iao, da managny valisoa. Fa ra tsy ame sitrapo, da mbola managny gne andraikitry izay nankininy tamina iao.
18
Da ino zany gne valisoako? Izany da rehefa mitory iao, da hafaky manolotry gne filazantsara tsy misy fandoavambola ka mba tsy hampiasa tanteraky gne zoko amin'gne filazantsara.
19
Da ndre hafaky amin'gne rehetra aza iao, da tonga ho mpanompo ho ane rehetra, mba hahazaoko bebe kokoa.
20
Tamin'gne Jiosy da lasa ako gne Jiosy iao, mba hahazoako gne Jiosy. Taminin'gne zay ambanin'e lalàgny, da ako gne olo ambanin'gne lalàgny iao mba hahazaoako gne ambanin'gne lalàgny. Nagnano izany iao ndre da tsy tambanin'gne lalàgny aza gne tegnako. [Fagnamarinagny: Gne baiboly ULB sy gne UDB da mivaky hoe: " Nagnano anizany iao ndre da tsy tambanin'gne lalàgny aza gne tegnako." Gne dikan-teny taloha sasany da tsy magnisy anizany.]
21
Tamin-dreo izay ivelanin'gne lalàgny, da lasa ako olo ivelanin'gne lalàgny iao, ndre da tsy ivelanin'gne lalàgnin'Andriamanitry aza gne tegnako fa ambanin'gne lalàn'e Kristy. Nagnano anizany iao mba hahazaoako gne ambanin'gne lalàgny.
22
Tamin'gne malemy da lasa malemy iao,mba hahazoako gne malemy. Tonga ra marobe ho an'gne olo marobe iao,mba hamonjeko gne sasany aminin'gne fomba maro.
23
Magnano gne ra marobe iao ho an'e filazantsara, mba hafahako mandray anjara aminin'gne fitahiagny izany.
24
Tsy fantatry nareo me fa aminin'gne fihazakazahagny iray gne mpiazakazaky da magnano gne fihazakazahany, gne raiky avao gne mahazo e loka? Da mihazakaza mba hahazo gne loka.
25
Gne atileta raiky da mampihatra gne fifehezan-tegna aminin'gne fagnazaran-tegnany rehetra. Magnano anizany indreo mba hangala satro-boninahitry izay mety simba, f'izy isika mihazakazaky mba hahazaontsika satro-boninahitry tsy mety simba.
26
Noho izany da tsy mihazakazaky aminin'gne tsy misy antony iao na mamango ambia ame rivotry.
27
Fa feheziko gne tegnako da aniko andevo, mba tsy ho lavigny gne tegnako, raha avy nitory taminin'gne hafa iao.
Chapter 10
1
Tiako Ho lalanareo, rô rahalà, fa ireo raintsika da tambanin'e rahogny sady mamakivaky gne ranomasigny avakoa.
2
Gne rehatra da hanigny batisa amin'e Mosesy tao amin'e rahogny sy gny ranomasigny,
3
sady samby nihinagny sakafom-pagnahy mitovy.
4
Gne rehetra da nindrano ranom-pagnahy mitovy. Fa indreo da nindrano tame vatolampim-pagnahy zay nagnaraky andreo, da Kristy zany vatolampy zany.
5
Fa Andriamanitry datsy nankasitraky tsara gne ankamaroan-dreo, sady gne fatin-dreo da niparitaky tagny agn'efitry.
6
Amin'zao fotoagny zao ireny Raha ireny da ohatry ho atsika, mba tsy haniriantsika Raha ratsy akô gne nilan-dreo.
7
Aza manompo sampy,akô gne sasany tamindreo. Zany da arak' zay voasoratry hoe: "Ireo ologny nipetraky mba nihinagny da hisotro, sady nitsangagny mba hilalao."
8
Aoka itsika tsy hijangajanga ,akô gne namboarin'e maro tamindreo. Two agnatin' e andro raiky, da ologny tell arivo sy. roa aligny gne maty nohon'e amin'izany.
9
Aoka avakoa itsika tsy hitsapa an'i Kristy, akô gne namboarin'e maro tamindreo ka naringa'ireo menaragny.
10
Aza mimonomonogny avakoa,akô gne namboarin'e maro tamindreo ka naringan'e anjelin'e fahafatesagny.
11
Ary ireny Raha ireny gne nitranga tamindreo mba ho ohatry ho antsika. Nosoratsgny mba ho fampianaragny antsika izy ireny-ho amitsika zay niavian'e fara-andro.
12
Noho zany aoka izay mieritreritry gne tegnany ho efa mijoro mitandrigny tsara mba tsy ho lavo.
13
Tsy nisy fakam-pagnahy nahatratry anareo zay tsy iraisan' e olombelogny agnaby. F'izy,Andriamanitry da mahatoky. Tsy hamela anareo ho alaim-panahy mihoatry say zakainreo Izy.Miaraky amin'e fakam-pagnahy da nagnome anareo gne lalagny hitsoahagny avakoa Izy, mba hafahanareo miaritry an'izany.
14
Noho zany,ry malalako, milefà lavitry gne fanompoantsapy.
15
Mizaka aminareo akô gne olo manan-tsaigny Iao, mba hafahanareo mitara zay Zakaiko.
16
Gne kapoakin'e fisaoragny zay isworantsika,moa me zany tsy fiombonagny and ràn'i Kristy? Gne mofo zay vakinantsika , moa me zany tsy fiombonagny and faran'e Kristy?
17
Satria raiky avao gne mofo, itsika zay maro da vatagny raiky. Itsika agnaby da mangalaky ame mofo raiky avao.
18
Eteo ireo vahoakan'e Israely: moa me ireo zay nihinagny ireo fagnatitry tsy mpandray anjarameo ame alitara?
19
Ino ary gne ho Zakaiko? Hoe Tsy misy dikany me zany gne sampy? Sa gne hanigny say namboarigny fagnatitry tame sampy gne tsy misy dikany?
20
Fa miresaky momban'e Raha say amboarin'ireo jentilisa mpanompo sampy fagnatitry iao, fa omen-dreo an'ireo demonia ireny Raha ireny fa tsy an'Anndriamanitry. Tsy tiako anareo ho mpiombogny amin'e demonia!
21
Tsy afaky misotro gne kapoakin'e demonia anareo.Tsy afaky miraiky eo amin'e latabatrin'e Tompo sy gne latabatr'ireo demonia anareo.
22
Sa magnano zay mahasaro-piaro gne Tompo me itsika? Mahery noho Izy me itsika?
23
Gne Raha agnaby da ara-dalàgny," fa tsy Raha agnaby gne mahasoa. "He Raha agnaby da ara -dalàgny," Fa tsy gne Raha agnabe gne mampandroso gne ologny.
24
Tsy misy tokony hitady gne tombontsoany namonokagny. F'izy,gne tsikiraikiraiky da tokony hitady gne tombotsoan'e namany.
25
Afaky nihinagny zay rehetra amidy egny an-tsena anareo,fa aza nagnontany gne fieritreretagny.
26
Fa an'e Tompo gne tany, sy zay raha misy so amin'azy."
27
Raha misy tsy mpino manasa anreo higinagny,ka magniry gne andeha anareo, da hano zay rehetra nipetraky so anoloanareo ka aza mametra-pagnontaniagny gne ame fieritrertagny.
28
Fa Raha mizaka aminao hoe: "ty sakafo ty da avy ame fagnatitry gne mpanompo sampy," da aza nihinagny an'zany. Zany da ho an'e nampahafantry anareo, sy ho an'e fieritreretagny. [Fagnamarihagny: Gne dikan-tenytaloha sasany da magnampy hoe: "Fa gne tany sy gne Raha agnaby ao aminazy da an'e Tompo." Fa gne dikan-teny tsara indrindra da tsy misy zany. ]
29
Tsy mizaka iao hoe gne fieritreretanao manokagny,fa gne fieritreretan'e olon-kafa. Nahoana gne fahafahako gne tokony ho tsarain'e fieritreretan'e hafa?
30
Raha mandray anjara amin'e sakafo am-pankasitrahagny aho,nahoagny gne tevatevaigny amin'zay nagnomezako fisaoragy?
31
Noho zany,ndre nihinagny ndre misotro anareo,ndre ino ndre ino amboarinareo, da amboary ho voninahitr'Andriamanitry aganaby.
32
Aza magno me fanafitohinagny gne Jiosy ndre the Grika,ndre gne fiangonan'Andriamanitry.
33
Miezaky gne hahafaly gne olo agnaby ame Raha agnaby iao. Tsy mitady gne tombontsoako iao,fa gne an'e maro.Amboariko zany mba ho voavonjy indreo.
Chapter 11
1
Alay tahaky iao, akô gneagnafahako an'i kristy.
2
Sady midera anareo iao satria mahatsiaro anàame râ agnaby anareo. Midera anareo iao satria mitazogny mafy gne fombafomba arak'izay nagnolorako andreo teo aminareo anareo.
3
Sady tiako ho azonareo fa Kristy gne lohan'e lelà agnaby, fa gne lahy e lohan'e vavy, sady Andriamanitry gne lohan'e Kristy.
4
Sady mangalaky voninahitry gne lohany ireo lelà izay mivavaky na maminagny da misaro-doha.
5
Fa mangalaky gne voninahitry gne lohany gne viavy izay mivavaky na maminagny tsymisaron-doha. Fa tsy hafa sady mitovy amin'e hoe viavy magnaratry e lohany izany.
6
Fa râ tsy misaron-doha gne viavy, da tokony ho fohiky gne volony. Râ mahamegnatry gne viavy e manapaky gne volony na gne magnaratry gne lohany, da avelay izy andrakotry gne lohany.
7
Fa tsy tokony handrakotry gne lohany g e lelà, satria izy gne sary sy voninahitr'Andriamanitry.
8
Fa gne viavy da voninahitry gne lelà. Fa gne lelà tsy nanigny avy tamin'e viavy. F'izy, gne viavy gne nanigny avy tamin'e lelà.
9
Fa tsy misy lelà noforognigny ho an'e viavy. F'izy, gne viavy gne noforognigny ho an'e lelà.
10
Izany gne tokony hanagnan'e viavy gne mariky gne fahefagny eo amin'e lohany, noho gn'anjely.
11
Ndre da izany azaky, ao amin'e Tompo, tsy mahaleo-tegnà amin'e lelà gne viavy, ndre gne lelà mahaleo-tegnà amin'e viavy.
12
Fa râ avy amin'e lelà gne viavy, da gne lelà avakoa da avy amin'e viavy. Sady avy amin'Andriamanitry gne râ agnaby.
13
Tsaray gne tegnanao: Mety amin'e viavy me gne mivavaky amin'Andriamanitry tsy misaron-doha?
14
Tsy gne natiora mihitsy me gne nampianatry anareo fa râ gne lelà gne lava volo, da fahafam-baraka ho anazy izany?
15
Tsy nisy nampianatry anareo me gne natiora fa râ gne viavy gne lava volo, da voninahitry ho anazy izany? Fa nomegny anazy gne volony mba handrakotry anazy.
16
Fa râ misy ta-hiady hevitry aminazy, da tsy managny fampiaragny hafa iay, na ireo fiangonan' Andriamanitry.
17
Fa agnatin'ireo torolalagny magnaraky, da tsy midera anareo iao. Fa refa miara-avy anareo, da tena tsara ho amign'e tsara izany fa ho amin'e ratsy.
18
Fa tena tamin'e vôlohany, da reko fa refa miaraky miangogny ao amin'e fiangonagny anareo, da misy fizarazaragny eo aminareo, sady mino izany amin'e gnasasany iao.
19
Fa tsy maintsy misy fitsitokotokoagny eo aminareo, mba hankasitrahagny eo aminareo ireo izay nekegny.
20
Fa refa miangogny anareo, da tsy gne Fanasan'e Tompo gne hoaninareo.
21
Refa mihinagny anareo, da samby homana gne haniny manokagny gne tsikiraikiraiky alohan'e hihinanan-dreo hafa. Mosaregny e raiky, sady gne hafa lasa mamo.
22
Tsy managny tragno ihinanagny sy indranomagny me anareo? Ho tsinotsinoavigny me gne fiangonan'Andriamanitry da mampahetry anareo izay tsy managny ndre ino ndre ino? Ino e tokony ho zakaiko aminareo? Tokony hidera anareo me iao? Tsy hidera anareo amizany iao!
23
Fa nozaiko avy amin'e Tompo avakoa izay ambarako anareo, fa Jesosy Tompo, tamign'aligny izay namadihagny Anazy, da nangalaky mofo.
24
Refa avy nisaotry Izy, da nanapaky izany sady nizaka hoe: "Ity gne vatako, izay ho anareo. Amboaro izao ho fahatsiarovagny Anà. "
25
Mitovy amizay koa da noraisiny gne kapoaky refa avy nihinagny hariva, sady nizaka Izy hoe: "Ity kapoaky ity gne fagnekegny vaovao ao ame ràko. Amboaro izao ndre ovia ndre ovia anareo gne mindrano, ho fahatsiarovagny Anà. "
26
Amin'e fotoagny agnaby izay hinananareo ity mofo ity sy hindranomanareo amin'ity kapoaky ity, da magnambara gne fahafatesan'e Tompo mandra-piaviny anareo.
27
Ndre ia ndre ia, noho izany, mihinagny gne mofo na mindrano amin'e kapoakan'e Tompo amin'efomba tsy mendriky, da ho meloky gn'amin'e vatany sy gne ràn'e Tompo.
28
Da handiniky gne teganany heky gn'olo, sady amizany da hihinagny gne mofo sady hindrano amin'e kapoaky izy.
29
F'zy izay mihinagny sy mindrano da tsy mahalala gne vatany, da mihinagny sy mindrano fitsaragny ho an'e tegnany.
30
Izany gne mahavy gne maro aminareo ho hosagny sy marary, sady gne sanany aminareo ho faty
31
Fa râ mandinin-tegnà sika, da tsy ho tsaraigny.
32
Fa refa vôtsaran'e Tompo isika, da mpagnara-dalàgny, mba tsy ho vôheloky miaraky amin'izao tontolo izao.
33
Noho izany, rô ralà, refa miangogny da hihinagny anareo, da mifandignasa.
34
Râ misy olo raiky mosaregny, da izy hihinagny agny andragno, amizay refa miangogny anareo da tsy ho amin'e fitsaragny izany. Sady mikasiky ireo râ hafa izay nosoratanareo, datsy hagnome toro-lalagny iao refa avy.
Chapter 12
1
Momba gne fagnomezam-pagnahy, ry ralah, da tsy tiako tsy hafantatry anareo.
2
Fantatrinareo fa taminareo mbola mpanompo sampy, da voaviliky nandea taminin'gne sampy tsy manam-peo anareo.
3
Noho izany tiako ho fantatrinareo fa tsy misy olo izay mizaka aminin'gne Fanahin'Andriamanitra afaky mizaka hoe: " Jesosy da Tompo," afa-tsy aminin'gne alalanin'gne Fanahy Masina.
4
Da misy fanomezam-pagnahy samihafa, fa Fagnahy mitovy avao.
5
Misy fanompoagny samihafa, fa Tompo mitovy avao;
6
da nisy karazan'asa samihafa, fa Andriamanitra mitovy avao gne magnome andreo ho azo anigny aminin'gne kiraikiraiky.
7
Da ho ane tsiraikiraiky gne nomegny fanehoagny ivelanin'gne Fagnahy ho an'e tombotsoanin'gne maro.
8
Fa ho an'gne olo raiky da nomegmy avy ame Fagnahy gne zakam-pahendregny, da ho anin'gne raiky hafa gne tenin'gne fahalalagny aminin'gne alalan'e Fagnahy mitovy avao.
9
Ho an'gne raiky hafa da nomeny gne finoagny aminin'gne alalanin'gne Fagnahy mitovy, da an'gne raiky hafa gne fanomezam-pahasoavagny hagnasitragny aminin'gne alalan'e Faganhy raiky.
10
Ho an'gne raiky hafa da nomeny gne asan'gne hery, da ho an'gne raiky hafa faminaniagny. Ho an'gne raiky hafa da nomeny gne fahafahagny magnavaky gne fagnahy, ho an'gne raiky hafa gne karazana fizakagny samihafa, da ho an'gne raiky hafa gne fandikagny zaka.
11
Fa ge Fagnahy raiky tsy motovy avao gne miasa aminizany ra marobe izany, magnome gne fagnomezam-pagnahy ho an'gne olo kiraikiraiky, araky gne nofidiany.
12
Fa satria gne vatgny da raiky sady managny rantsagny maro da gne rehetra da rantsanin'gne vatagny avao, noho izany da miaraky amin'i Kristy izany.
13
Fa taminin'gne alalanin'gne Fagnahy raiky gne nagnamboaragny batisa antsika marobe ho vatagny raiky, na gne Jiosy na gne Grika, na voafatotry na afaky, da gne marobe da nanigny mba hisotro aminin'gne Fagnahy raiky.
14
Fa gne vatagny da tsy rantsagny tokagny, fa maro.
15
Ra mizaka gne tongotry hoe: " Satria tsy vatagny iao," izany da tsy kidy aminin'gne rantsan'e vatagny.
16
Da ra gne sofy gne mizaka hoe: "Satria tsy maso iao, da tsy ratsagny ame vatagny iao, "izany da tsy kidy amini'gne rantsan'gne vatagny.
17
Ra gne maso gne vatagny marobe, dia ho aia gne fandresegny? Ra sofy gne vatagny marobe, da ho ia gne fanimboloagny?
18
Fa Andriamanitra nadamigny gne rantsan'gne vatagny kiraikiraiky araky gne namorognany izany.
19
Ra rantsagny mitovy aby izy marobe, aia gne hisy gne vatagny?
20
Kaizao da rantsagny maro indreo, fa vatagny raika avao.
21
Gne maso tsy hafaky mizaka aminin'gne tagna hoe: " Tsy misy ilàko anao." Ndre gne loha tsy hizaka aminin'gne tongotry hoe: "Tsy misy ilàko anao."
22
Fa gne rantsagny aminin'gne vatagny izay miseho ho malemy kokoa da tena ilaigny,
23
da gne rantsanin'gne vatagny izay heverintsika fa tsy da manan-danja, da omentsika lanja zakabe kokoa ireo,da gne rantsantsika tsy fagnaboky da managny fahamendrehagny miohatry.
24
Da gne rantsantsika faboky da tsy mila entigny aminin'gne fahamendrehagny,fa indreo da efa managny fahamendrehagny. Fa Andriamanitry nampikambagny gne rantsagnymarobe miaraky, da izy nomegny lanja kokoa aminin'gne izay tsyampy izany.
25
Nagnano izany Izy mba tsy hisy fisarahagny eo aminin'gne vatagny, fa mba hifampikarakara aminin'gne fitiavagny mitovy gne rantsagny.
26
Noho izany rehefa mijaly gne rantsagny raiky, da miaraky mijaly gne rantsagny marobe; na rehefa omegny lanja gne rantsagny raiky , da miaraky mifaly gne rantsagny marobe.
27
Da anareo da vatagnan'i Kristy sady rantsagny amin'izany gne tsiraikiraiky.
28
Da Andriamanitry nifidy taminin'gne fiangonagny gne apostoly aloha, faharoy gne mpaminany, fahatelo gne mpampianatry, avy gne magnano asa mahagaga, avy eo gne fanomezam-pasoavagny hanasitragny, ireo zay magnome fagnampiagny, ireo zay magnano gne asanin'gne fitatanan-draharaha, da gne managny karazagny fizakana samihafa.
29
Apostoly me izy marobe? Mpaminany avokoa me? Mpampianatry avokoa me? Magnano asa mahagaga avokoa me gne maro?
30
Managny fanomezam-pagnahy hagnasitragny ve izy marobe? Mizaka aminin'gne fizakagny tsy fantatra me izy marobe?
31
Tadiavo mafy gne fanomezam-pagnahy zakabe. Fa hagnabara anareo lalana tsaratsara kokoa iao.
Chapter 13
1
Ndra da atao hoe mizaka ame fizakan'ireo ologny sy ireo anjely aza iao. Fa Raha tsy managny fitiavagny,da Tonga vy magneno na kaimpantsogny mikaratsam-peo iao.
2
Ndra atao hoe managny fagnomezagny faminaniagny sady mahalala ireo mistery da gne fahalalagny agnaby aza iao, sady managny finoagny agnaby afahagny mamindra ireo rendrombohitry. Fa Raha tsy manam-pitiavagny, da tsinotsinogny iao.
3
Ndre da atao hoe magnome zay rehetra anagnako hamananagny gne mahantra aza iao, sady manolotry gne tegnako ho doragny.Fa Raha tsy manam-pitiavagny, da tsy mahazo ndre ino ndre ino iao. [Fagnamarihagny: Gne ULB Sy gne UDB da saby managny dikan-teny maro,mivaky akô zao hoe: "Homeko mba ho doragny gne tegnako." Gne dikan-teny sasany kosa da mivaky hoe: "Homeko gne tegnako mba ho reharehako."]
4
Gne fitiavagny da mahari-po sady tsara fanahy. Gne fitiavagny da tsy mitsiriritry na mirehareha. Tsy miavogny
5
na magnano zay tsy maha mendriky. Tsy tia tegna. Tsy mora tezitry, na mitanisa fahadisoagny.
6
Tsy mifaly ame tsy fahamaronagny.F'izy,mifaly ame fahamarinagny.
7
Gne fitiavagny da mandefitry gne raha agnaby, mino gne Raha agnaby, matoky Raha angnaby, sady miharitry gne raha agnaby.
8
Tsy ho tapitry mandrakizay gne fitiavagny.Raha misy faminaniagny,da ho levogny ireo. Raha misy fizakagny ame teny tsy fantatry,hitsahatra ireo. Raha misy fahalalagny, da ho levogny zany.
9
Fa itsika da nahafantatry ame ampahany sady maminany ame ampahany.
10
Fa refa Tonga e tena lafatry, da ho levogny zay tsy tanteraky.
11
Fony
mbola zaza iao, da niresaky akô gne zaza, mieritreritry akô gne zaza. Refa lehibe iao,da napetrako gne fahazavagny.
12
Fa amin'zao fotoagny zao itsika da mahita tsy mivantagny ame fitaratry, fa rahatrizay da hifanatri-tava. Amin'zao fotoagny zao iao da mahalala ame ampahany, fa aveo iao da hahalala tanteraky akô gne nahalalagny anah tanteraky.
13
Fa amin'zao fotoagny zao da ireto telo ireto gne mipetraky: gne finoagny, gne fanantenagny rahatrizay, da gne fitiavagny. Fa gne fitiavagny gne zakabe indrindra amin'ireo da gne fitiavagny.
Chapter 14
1
Mitadiava fitiavagny sady managna zotom-po ame fagnomezam-pagnahy, indrindra fa gne haminanianareo.
2
Fa izay mizaka ame fizakagny tsy lala da tsy miresaky ame olo fa amin'Andriamanitry. Fa tsisy mahazo an'azy satria miresaky raha mifiny ao ame Fagnahy izy.
3
Fa izay maminany da miresaky ame olo mba ho fampioregnagny andreo, ho fampirisihagny andreo, sady fampiononagny andreo.
4
Izay mizaka ame fizakagny tsy lala da magnorigny gne tegnany, fa izay maminany da magnorigny gne fiangonagny.
5
Amizao fotoagny izao da magniry anareo agnaby hizaka ame fizakagny tsy lala iao. Fa mbola mihoatry noho izany azaky, magniry iao gne haminanianareo. Izay maminany da zakabe kokoa noho izay mizaka ame fizakagny tsy lala( raha tsy hoe misy olo raiky mandika zaka ka mba hioregnan'e fiangonagny).
6
Fa amizao fototagny izao, ô rahalà, raha avy eo aminareo ame fizakagny tsy lala iao, ino gne tombon-tsoa omeko anareo amizany? Tsy afaky iao, raha tsy hoe miresaky aminareo ame fagnambaragny, na fahalalagny, na faminaniagny, na fampianaragny.
7
Raha mamoaky feo e raha magneno tsy managn'aigny-akô gne sodigny na lokanga-sady tsy mamoaky lantom-peo samby hafa, akôgnaia gn'afantaran'olo izay melodia avoakan'e sodigny na gne lokanga?
8
Fa raha magnano feo hafahafa gne trompetra akôgn'aia gn'afantaran'olo refa fotoagny hiomanagny ame day?
9
Ka akô izany avao koa gn'aminareo. Raha tsy mazava gne zaka aloakin'e vavanareo, akôgnaia gne hahafantaran'olo izay ho zakainareo? Hizaka anareo, da tsy hisy hahazo anareo.
10
Misy fizakagny maro samby hafa eto amizao tontolo izao, sady tsisy amiregny gne tsisy dikany.
11
Fa raha tsy mahalala gne dikan'e fizakagny raiky iao, da ho vahiny amizay mizaka, sady izay mizaka ho vahiny aminà.
12
Akô izany avao koa gne aminareo. Satria magniry fatratry gne fihetsehan'e Fagnahy anareo, da managna zotom-po mba hiroborobo ame fagnoregnagny gne fiangonagny.
13
Noho izany izay mizaka ame fizakagny tsy lala da tokony hivavaky mba hafahany mandika zaka.
14
Fa raha mivavaky ame fizakagny tsy lala iao, da mivavaky gne fagnahiko, fa gne saigniko tsy mamoa
15
Ino gne tokony ho aniko? Hivavaky ame Fagnahiko iao, fa hivavaky ame saigniko avakoa. Hihira miaraky ame Fagnahiko iao, sady hihira miaraky ame saigniko avakoa.
16
Raha tsy izany, raha midera an'Andriamanitry miaraky ame Fagnahy anareo, akôgnaia gne hizakan'e vahiny hoe "Amena" sa refa magnome fisaoragny anao raha ohatry ka tsy lalany izay zakainao.
17
Fa anao da tena magnome fisaoragny tsara avao, fa gne olo-kafa tsy miorigny.
18
Misaotry an'Andriamanitry iao fa mizaka ame fizakagny tsy lala mihoatry noho anareo agnaby.
19
F'izy agny am-piangonagny da aleoko mizaka zaka dimy arak'e fazahoako mba hafahako mampianatry gne hafa, toy izay zaka ray aligny ame fizakagny tsy lala.
20
Ô rahalà, mba ka zaza ame fihevitrinareo. Fa kosa, raha ame ratsy da magnanova akô zaza. Fa ame fihevitrinareo da aoka ho matotry anareo.
21
Ao ame lalagny da voasoratry hoe: "Ame alalan'olo hafa fizakagny izy ame alalan'e molotr'e vahiny da hiresaky amireto olo ireto Iao. Ndre da tsy hiteno Ana azaky indreo," hoy gne Tompo.
22
Noho izany gne fizakagny tsy lala da famantaragny, tsy ame mpino, fa ame tsy mpino. Fa gne faminaniagny kosa da ho famantaragny, tsy ho an'e tsy mpino, fa ho an'e mpino.
23
Noho izany, raha ohatry ka, miara-miangogny gne fiangonagny agnaby sady mizaka ame fizakagny tsy lala agnaby, da miditry gne vahiny izy ame tsy mpino, tsy ho zakaindreo fa mola me anareo?
24
Fa raha naminany agnaby anareo aby ka nisy tsy mpino na vahiny niditry, da ho resy lahatry amizay regniny agnaby izy. Ho tsaraigny ame alalan'izay vozaka agnaby izy.
25
Ho ambara gne tsiambaratelo ao am-pony. Vokatr'izany, handohaliky izy sady hitsaoky an'Andriamanitry. Hagnambara izy fa tena eo aminareo Andriamanitry.
26
Ino izany e magnaraky, ô rahalà? Refa tafaray anareo, gne tsiraidraiky da managny salamo, fampianaragny , fagnambaragny, fizakagny tsy lala, na fandikagny zaka. Amboary gne rah agnaby mba hagnoregnanareo gne fiangonagny.
27
Raha misy mizaka ame fizakagny tsy lala, avelay hisy roy na fara fahamarony telo eo, sady mandeha tsiraidraiky, avy eo da tokony hisy raiky handika gne zaka voalaza.
28
Fa raha tsisy mpandika zaka avelay gne tsiraidaraiky amindreo hitagny fahanginagny ao am-piangonagny. Avelay gne tsiraidraiky hiresaky mitokany ame tegnany izy amin'Andriamanitry.
29
Avelay hizaka gne mpaminany roy na telo, sady avelay gne hafa hiteno ame fahaiza-magnavaky izay voalaza.
30
Fa raha misy fahitagny omegny izay mipetraky eo ame fanompoagny, avelay hangigny e raiky izay nizaka.
31
Fa gne tsiraidraiky aminareo da afaky mifandimby maminany mba hafahan'e tsiraidraiky mianatry sady mba hahery agnaby.
32
Fa gne fagnahin'e mpaminany da eo ambanin'e fagnaraha-mason'ireo mpaminany.
33
Fa Andriamanitry da tsy Andriamanitrin'e fikorotagnagny, fa fiadanagny. Izany gne fitsipiky ho an'e fiangonan'e mpino agnaby.
34
Gne viavy da tokony hitagny fahanginagny ao am-piangonagny, satria tsy mahazo alalagny hizaka indreo. Fa kosa, tokony hagneky indreo, akô gne ambaran'e lalagny.
35
Raha misy irindreo hianaragny, avelay hagnotany gne vadiny agny an-dragno indreo. Fa mahamegnatry ho ane viavy gne mizaka ao am-piangonagny.
36
Avy aminareo me gne niavian'e zakan'Andriamanitry? Anareo raiky me gne voakasik'izany?
37
Raha misy mieritreritry gne tegnany ho mpaminany na ara-pagnahy, da tokony hagnaiky izy fa e raha izay soratako aminareo da didin'e Tompo.
38
Fa raha misy tsy magneky izany, da aleo izy tsy ho ekegny. [Fagnamarihagny: Gne ankamaroan'e dikan-teny, ao agnatin'izany gne ULB izy ame UDB, da mamaky hoe: "Fa raha misy tsy magneky izany, da aleo tsy ho ekegny izy." Gne dika-teny sasany taloha magnano hoe: "Fa raha misy tsy mahalala izany da aleo izy tsy ahalala izany."
39
Koa amizany, ry rahala, magniria fatratry gne haminany, da ka mandrara ndre ia ndre ia hizaka ame fizakagny tsy lala.
40
Fa avelay gne raha agnaby anigny araky gne tokony ho izy da ampilaminagny.
Chapter 15
1
Amizao mampahatsia anareo iao,rô ralà, gne filazantsara izay nambarako taminareo, izay noraisinareo da izay ijoroanareo.
2
Amin'e alalan'izay filazantsara zany gne havoavonjy anareo, raha mitagny mafy amin'e zaka notoriako taminareo anareo, raha tsy hoe gninognino fotsiny.
3
Fa natolotriko ho raha zakabe vôlohany ho anareo izay voaraiko avakoa: fa maty ho an'e fahotantsika kristy araky gne Soratra Masina,
4
da nalevigny Izy, sady Izy da nitsangagny tamin'e maty tamin'e andro fahatelo araky gne Soratra Masina.
5
Kristy da nibôky tamin'i Kefasy, da aveo tamin'ireo roa ambin'ny folo;
6
aveo da nibôky indraiky mandeha tamin'ireo ralà mihôtry gne dimanjato Izy. Mbola velogny gne ankamaroan-dreo, fa gne sasany da maty.
7
Aveo Izy nibôky tamin'i Jakoba, aveo tamin'e apostoly rehetra.
8
Tena farany, da nibôky taminà Izy, akô gne hoe tamin'e zaza teraky tsy avy volagny.
9
Fa iao gne tena kidy amin'e apostoly.Iao da tsy mendriky gne antsovagny hoe apostoly satria nagnenjiky gne fiangonan'Andriamanitry iao
10
Fa nohon'e fahasoavan'Andriamanitry gne naha akô iao anà, da tsy fôgny gne fahasoavagny atoa aminà. F'izy,tena niasa mafy noho indreo iao. Nefa tsy iao zany, fa gne fahasoavan'Andriamanitry izay miaraky aminà.
11
Noho izany na iao zany na indreo, araky gne nitorianay da araky izany gne ninoanareo.
12
Amizao raha nambara fa Kristy da natsangagny tamin'e maty, akognaia gne hafahan'e sasany aminareo mizaka fa tsy misy gne fitsanganagny amin'e maty?
13
Nefa raha tsy misy gne fitsanganagny amin'e maty, da tsy natsangagny mitsy Kristy;
14
sady raha tsy natsangagny Kristy, da fôgny gne fitoriagny, sady fôgny avakoa gne finoanareo.
15
Sady, da hita ho vavolombelogny diso momban'Andriamanitry iay satria nijoro vavolombelogny nanohitry an'Andriamanitry, nizaka hoe natsangagny Kristy refa tsy nagnano an'izany Izy.
16
Raha tsy natsangagny gne maty, da ndre Kristy aza tsy natsangagny;
17
sady raha tsy natsangagny Kritsy, da fôgny gne finoanareo sady da mbola ao amin'e fahotagny anareo.
18
Sady izay rehetra maty ao amin'i Kristy da efa very avakoa.
19
Raha amin'ity fiainagny ty avao gne anagnantsika toky amin'e ho avy ao amin'i Kristy, da atsika gne tena mampalahelo amin'e olo agnaby.
20
Fa amizao da efa natsangagny tamin'e maty Kristy, e voaloham-bokatr'ireo zay maty.
21
Fa satria avy tamin'e alalan'e olo raiky gne fahafatesagny,da avy tamin'e alalan'e olo raiky avakoa gne nihavian'e fitsanganagny amin'e maty.
22
Fa akô gne nahafatesan'e rehetra tao amin'i Adama, da ho velomigny ao amin'i Kristy avakoa gne rehetra.
23
Kanefa samy ao amin'e filaharagny manokagny gne tsirairaiky: Kristy, e voaloham-bokatry, da aveo ireo zay an'i Kristy da ho atao velogny amin'e feviany
24
Aveo da ho avy gne farany, refa homen'i Kristy ho an'Andriamanitry Ray gne fanjakagny.Izany da refa hagnafogny gne fitsipiky rehetra izy ame fahefagny rehetra da gne hery Izy.
25
Fa tsy maintsy manjaka Izy mandra-pametrany gne fahavalony rehetra ao ambanin'e tongotriny.
26
Gne fahavalo farany ho haringagny da gne fahafatesagny.
27
Fa "Napetrakiny tambanin'e tongotriny agnaby gne raha agnaby." Fa vôzaka fa : "Izy gne nametraky gne raha agnaby," da mazava tsara fa tsy tafiditry ao agnatin'izany e raiky nametraky gne raha rehetra hagneky gne tegnany.
28
Refa magneky an'Azy gne raha rehetra, da gne Zanaky mitsy gne hagneky e raiky izay nampagneky gne raha rehetra ho an'Azy. Hibôky zany mba ho rehetra ao amin'e rehetra gne Andriamanitry Ray.
29
Na koa ino gne ilaigny gne izay vita batisa ho an'e maty? Raha tsy natsangagny mitsy gne maty, nagnino indreo gne nanigny batisa ho andreo?
30
Nagnino ary, atsika gne am-bava loza isan-dera?
31
Miatriky fahafatesagny isan'andro iao! Zany da antoky akô gne fireharehako gne aminareo, zay azoko ao ame Kristy Jesosy Tompotsika.
32
Ino gne tombony azoko, avy ame fomba fijerin'e olombelogny, raha niady tame biby tao Efasosy iao, raha tsy natsangagny gne maty? "Aoka itsika hihinagny sy hisotro satria ho faty itsika ampitso."
33
Aza mety ho fitahagny hoe: "Manimba gne fisainagny tsara gne naman-dratsy."
34
Mandehana! Miaignà am-pahamarinagny! Aza manohy manota! Fa gne sasany aminareo da tsy managny fahalalàgny an'Andriamanitry. Mizaka zany ho ame fahamenaranareo iao.
35
Fa gne ologny raiky hizaka hoe: "ahoagny gny nananganagny gne maty, sady ame karazagny vatagny ino gne hatongavandreo?
36
Tsy mahalala ndre ino ndre ino anareo! zay hafafinareo da tsy hanomboky hitombo raha tsy maty zany.
37
Zay nafafinareo da tsy gne vatagny izay ho avy , fa voa fotsiny. Zany da mety ho lasa vary na raha hafa.
38
Fa homen'Andriamanitry an'azy gne vatagny araky zay safidiany, ary samby amin'e vatagnany aby gne voa tsikiraikiraiky.
39
Tsy gne nofo agnaby gne mitovy. F'izy raiky gne nofon'e olombelogny, da hafa e nofon'e biby, sady nofo hafa gne an'ireo vorogny, da hafa gne gne an'e hazandrano.
40
Misy avao koa ireo vatagny agny an-danitry da ireo vatagny eto an-tany. Fa karazagny raiky avao gne voninahitry gne vatagny agny an-dagnitry ary hafa gne voninahitry gne eto an-tany .
41
Raiky gne voninahitry gne masoandro, sady hafa gne voninahitry gne volagny, ary voninahitry gne kitagny. Fa gne kitagny raiky miavaky amin'e kintagny raiky hafa ame voninahitry.
42
Akô zany koa gne fitsanganagny ame maty. Zay afafy da tsy mety simba, sady zay atsangagny da tsy mety simba.
43
Afafy tame fahafam-baraka zany; da natsnagagny am-boninahitry. Afafy tamin'e fahalemegny zany; da natsangagny ame hery.
44
Afafy amin'e vatagny ara-panahy. Raha misy vatagny voajanahary, da misy vatagny ara- panahy avakoa .
45
Sady efa voasoratry avakoa fa: "Lasa fanahy velogny Adama e lelà voalohagny" ilay Adama farany da lasa fanahy magnome fianagny.
46
Fa tsy gne ara-panahy gne avy voalohagny fa gne voajanahary, da aveo gne ara-panahy.
47
Gne ologny voalohagny da avy ame tany, namboarigny tame vovoky. Gne ologny faharoy da avy agny an-dagnitry.
48
Akô ilay raiky namboarigny tame vovoky, akô zany koa e ologny agny an-dagnitry, sady akô zany avakoa ireo zay avy agny an-dagnitry..
49
Akô gne nitondrantsika gne endrik'ilay ologn'e vovoky, da hitondra gne endrik'ilay olon'e lagnitry. avakoa itsika.
50
Sady zao gne nozakaiko, ry rahalà, fa gne nofo aman-drà da tsy afaky gne handova gne fanjakan'Andriamanitry. Na zay mety simba handova zay tsy mety simba.
51
Indro! Zava-marigny miafigny gne ho zakaiko anareo hoe: "Tsy ho faty avokoa itsika agnaby, fa hovaigny avokoa itsika agnaby.
52
Hiova itsika ame fotoagny raiky, ao agnatin'indraiky mipi-maso, amin'e trompetra farany. Haneno gne trompetra, da gne maty da hatsangagny ho tsy mety lo, sady da hovaigny itsika.
53
Fa ty vatagny mety simba ty da tsy mentsy hitafy zay tsy mety lo, sady ty vatagny mety maty ty da tsy mentsy hitafy gne tsy fahafatesagny.
54
Fa refa mitafy gne tsy mety simba ty vatagny mety simba ty, ary refa mitafy gne tsy fahafatesagny ty vatagny mety maty ty, da ho avy amin'ilsy teny voasoratry hoe, "Voateligny tame fandresegny gne fahafatesagny."
55
"Ry fahafatesagny, aia gne herinao? Ry fahafatesagny, aia gne fanindronanao?"
56
Gne ota gne fanindron'e fahafatesagny, sady gne herin'e ota da lalàgny.
57
Fa isaoragny Andriamanitry, izay magnome atsika gne fandresegny ame alalan'e Jesosy Tompotsika!
58
Noho zany, ry rahalà malalako, miorena tsara sady aza miozongozogny. Miroboroboa mandrakariva amin'e asan'e Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maigny gne asanareo ao ame Tompo.
Chapter 16
1
Gne mikasiky gne fandagnonam-bola ho an'e mpino, arak'e gne nagnambarako lalagny e fiangonan'i Galitia, da akô izany avakoa e tokony gnaninareo.
2
Amign'andro vôlohan'erign'andro anareo tsikiraikiraiky da samby hanokagny zavatry sady hitahiry anazy araky izay vitanareo. Magnamboara izany mbatsy hisy fanangonam-bola refa avy iao
3
Refa avy iao, ndre aia ndre aia ekenareo, da alefako miaraky amin'e taratasy mba hanolorako gne fanatitrareo ho an'i Jerosalema.
4
Râ tsy mety aminà avakoa gne madeha, da handeha hiaraky aminà indreo.
5
Fa ho avy agny aminareo iao refa mandalo an'i Makedonia. Fa handalo an'i Makedonia iao.
6
Mety afaky hijanogny hiaraky aminareo iao na mandritry gne ririgny mihitsy azaky, mba hahafahandreo magnampy anà amin'e diako, ndre aia ndre aia andehanako.
7
Fa tsy magniry gne hahita anareo mandritry gne fotoagny foiky iao zao. Fa magnategna gne hipetraky ela miaraky aminareo, râ omen'e Tompo.
8
Fa hijanogny ao Efasaosy iao mandram-pahanin'e Pantekosta,
9
f'efa varangaragny malalaky gne nisokatry ho anà, sady misy fahavalo maro.
10
Sady refa avy Timoty, da ezaho mba tsy hatahotry izy miaraky aminareo, fa magnano gn'asan'i Tompo izy, akô gn'aniko.
11
K'avela hisy olo hagnano tsinotsinogny an'azy. Ampio izy ame lalagniny ame fiadanagny, mba hafahany megn'amina. Fa magnategna an'azy mba ho avy hiaraky amireo rahalà iao.
13
Miambena, mitsangana tsara ame finoagny, miasa akô gne lelà, mahereza.
14
Aoky ho anigny am-pitiavagny izay haninareo agnaby.
15
Lalanareo gne fianakavian'i Stefanasy, fa indreo gne niova fo voalohany tao Asia, sady indreo nametraky gne tegnandreo ho ame fanompoagny gne mpino. Sady mampirisiky anareo iao, rô rahalà,
16
mba hagneky gne olo akô izany da ame olo agnaby izay magnampy ame asa miaraky aminay.
17
Mifaly ame fevian'i Stefanasy, Fortinasy, sady i Akaiosy Iao. Nameno gne tsy naha-teo anareo indreo.
18
Fa namelombelogny gne fagnahiko izy ame gn'anareo indreo. Ka noho izany, fantaro gn'olo akô izany.
19
Gne fiangonan'i Asia da magnano veloma anareo. Akila izy am'i Pritsila da magnano veloma anareo ao amin'i Tompo, miaraky ame fiangonagny izay ao ame misy andreo.
20
Gne rahalà agnaby magnano veloma anareo. mifagnamboara veloma ame oroky masigny.
21
Iao, Paoly, manoratry an'ity ame tagnako.
22
Raha misy olo tsy tia gne Tompo, enga anie ka ho voaozogny izy. Ho avy, gne Tompotsika!
23
Ho aminareo anie gne fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.
24
Ho aminareo agnaby gne fitiavako ao amin'i Jesosy Kristy. [Fagnamarihagny: Gne dika-teny taloha da magnampy hoe: "Amena." Fa gne vaovao maro hafa, ao agnatin'izany gne ULB izy ame gne UDB,da mangala an'izany.]
2 Corinthians
Chapter 1
1
Paoly, Apolosy raiky an'i Kristy Jesosy tamin'e sitrapon'Andriamanitry, sy Timoty ralàntsika, ho an'e fiangonan'Andriamanitry izay amin'e Korinto, sady hoan'ireo mpino agnaby magneragny e faritry Akaia.
2
Ho aminareo anie gne fahasoavagny sady gne fiadanagny avy amin'Andriamanitry Raintsika sy Tompo Jesosy Kristy.
3
Ho deragny anie Andriamanitry sy Rain'e Tompontsika Jesosy Kristy. Izy gne Rain'e famindram-po agnaby sy Andriamanitry gne fampiononagny rehetra.
4
Andriamanitry da mampionigny antsika amin'e fahoriantsika agnaby, mba ahafantsika mampionigny ireo izay agnaty fahoriagny. Isika da mampionigny ireo hafa akô gen fampiononagny izay nampiasan'Andriamanitry ampiononagny antsika.
5
Fa akô gne hitomboan'e tijalian'i Kristy nohon'e gn'aminay, gne hitomboan'e fampiononagny anay koa amign'alalan'e Kristy.
6
Fa râ nampahoriagny iay, izany da ho an'e fampiononagny sy famonjegny anareo. Sady rânampiononagny iay, izany da ho an'e fampiononagny anareo. Gne fampiononagny da mandaitry refa manam-pahatetagny hizara ireo fijaliagny izay mitovy amin'e fijalianay koa.
7
Fa gne fahatokisanay momba anareo da azo antoky, satria iay da mahafantatry fa anareo avakoa da mizara ireo fijaliagny, anareo koa da mizara fampiononagny.
8
Fa tsy tianay anareo tsy ahalala, ry ralà, gn'amireo olagny nahazo anay tagny Asia. Iay da novesarigny tanteraky mihôtry gne tokony ho zakanay, maro lôtry da tsy nagnantegna gne hiaigny ela esanaky iay.
9
Taminay tokôtry gne fagnamelohagny e ho faty. Fa izany e nahavy anay tsy hametraky gne tkinay eo amin'e tegnanay avao, f'izy amin'Andriamanitry izay mampitsangagny e maty.
10
Nagnavotry anay tamin'e loza mahafaty akô izany Izy, sady mbola hagnavotry indraiky. Iay da nametraky gne tokinay taminazy fa mbola hagnafaky anay inddaiky Izy.
11
Izy da hagnano izany satria anareo avakoa da manampy anay amign'alalan'e vavakareo. Sady maro avy eo gne hagnome fisaoragny amign'agnaranay noho gne tombom-pahasohavagny nomegny anay tamign'alalan'ireo vavaky gne maro.
12
Iay da mirehareha amin'izao fijoroagny vavolombelogny gn'amin'e feon'e fieritreretanay. Fa tamin'e fikasagny madio sy fahatsoram-po izay avy amin'Andriamanitry izay nindesanay gnetegnanay ao amin'izao tontolo izao. Iay da nahavita izany agnaby sady gn'akamaroanay niaraky taminareo-tsy tamin'e fahendren'izao tontolo izao, fa tamin'e fahasoavan'Andriamanitry.
13
Iay da tsy nanoratry zavatry tsy ho voavaky na ho azonareo. Iao da magnategnafa,
14
satria anareo nahazo gne momba anay amign'ampahany, iay da ho anton'e reharehanareo amign'andron'e Tompontsika Jesosy, akô anareo ho antony hireharehanay.
15
Satria natoky e momba izany iao, da ta ho agny aminareo heky, mba ahafahanareo mahazo tombony amin'e famangiagny roy.
16
Niomagny gne hamangy anareo refa tegny amin'e lalagniko ho agny Makedonia iao. Sady avy da mbola agniry hamangy anareo indraiky iaotamin'e diako avy agnay Makedonia, sady gne hagnanteranareo anà tegny amin'e lalagniko ho agny Jodia.
17
Refa nieritreritry akô izany iao, nisalasala me iao? Nagnomagny ireo zavatry ireo arak'enofotry me iao, mba izakanako "Eka, eka" sy " Tsia, tsia" amin'e fotoagny raiky avao?
18
Fa satria Andriamanitry da mahtoky, isika da tsy afaky gne hizaka na " Eka" na "Tsia."
19
Fa gne Zanak'andriamanitry, Jesosy Kristy, izay nitorian'i sylvanosy, Timoty sady iao taminareo, da tsy "Eka" na "Tsia." fa Izy da nizaka fehizay hoe "Eka."
20
Satria gne fampagnateganan'Andriamanitry agnaby da "Eka" avokoa ao aminazy. Da amign'alalan'e koa isika da hizaka hoe "Amena" ho an'e voninahitr'Andriamanitry.
21
Sady Andriamanitry izay magnamafy anay aminareo ao amin'i Kristy, sady Izy gne nagniraky antsika.
22
Izy da nagnisy tombokasé tamintsika ary nagnome gne Fagnahy ho ao am-pontxika ho antok'izzy mbola ho omegny antsika agny afara.
23
Fa nangahiky an'Andriamanitry iao, hijoro vavolombelogny ho anà izay gnantony tsy nihaviako tao Korinto mba hamindrako fo aminareo.
24
Izany da tsy sagnatria noho iay miezaky gne mamehy izay tokony ho finoanareo. F'izy, iay da miaraky miasa aminareo amd fifalianareo, satria anareo mijoro ao amin'e finoanareo.
Chapter 2
1
Fa nanapa-kevitry gne tsy agnatogny anareo koa gne tegnako aminin'gne fotoam-pangirifiriagny.
2
Ra niteraky alahelo anreo iao, ia gne hafaky mampifaly ana akotrin'gne raiky noratraiko avao?
3
Nanoratry iao ako gne naniko mba tsy ho voaratry gne tokony nampifaly ana rehefa tonga taminareo. Iao da managny fahatokisagny gne aminareo marobe fa gne fifaliako da fifaliagny mitovy amin'gne anareo marobe.
4
Fa nanoratry ho anareo iao avy aminin'gne fahoriagny zakabe, miaraky aminin'gne fangirifirian'e fo, sady miaraky aminin'gne ranomaso be. Tsy ta ampalahelo anareo iao. F'izy, ta ampahafantatry anareo gne alalin'gne fitiavagny izay anagnako ho anareo.
5
Ra nisy olo niteraky alahelo, tsy niteraky anizany tamina avao izy, fa amin'gne endriky hafa-tsy hanitaragny loatry izany-aminareo marobe.
6
Ampy gne fagnasaziagny nanin'gne maro an'isa io olo io.
7
Ka amin'izao ra tokony ho fagnasaziagny, anareo da tokony hamela heloky sy hampionogny anazy. Anio izany mba tsy handifotry anazy amin'gne alehelo be lotry.
8
Noho izany mankahery anreo iao mba hagnamafy ampahibe-maso gne fitiavanareo Anazy.
9
Izany gne antony nanoratako, amon'izay mba mety hitsapako anareo sady ahafantarako na mankatoa amin'gne ra marobe anareo.
10
Ra mamela olo anareo, mamela anizany olo izany avokoa iao. Gne navelako- ranamela gne ra marobe iao- izany famelana izany da fitiavagny anareo amin'gne fanatrehan'i Kristy.
11
Izany da mbatsy hamitahan'gne Satana anay. Satria iay da mahafantatry gne drafiny.
12
Nisokatry ho ana gne varangaragny tamin'e Tompo rehefa tonga tamin'gne tanàn-dehibe an'i Troasy nitory gne filazantsara an'i Kristy tagny.
13
Ndreizany aza, tsy nanagny fiadanan-tsaigny iao, satria tsy nahita gne ralako Titosy tagny. Arakaizany, niala andreo iao da nandea niverigny ta Makadonia.
14
Fa fisaoragny anie ho an'Andriamanitry, izay amini'i Kristy mitariky anay mandrakariva aminin'gne fandresena. Amin'gne alalantsika da haeliny ndre aia ndre aia gne hanitry mamin'gne fahalalagny anazy..
15
Fa iay da hanitry mamin'i Kristy an'Andriamanitry, na tamin'gne novonjena sy tamin-dreo izay ho faty.
16
Ho an'gne olo izay ho faty, izany da hanitry avy amin'gne fahafatesagny ho amin'gne fahafatesagny. Ho an'gne sasany izay novonjegny, da hanitry avy amin'gne fiainagny ao amin'gne fiainagny. Ia gne mendriky amin'io ra io?
17
Fa iay da tsy mitovy amin'gne olo maro izay mivarotry gne zakan'Andriamanitry mba ahazoagny tombony. F'izy, amin'gne fahadiovam-po, gne hikoragnanay amin'i Kristy, satria nalefa avy amin'Andriamanitry iay, tamin'gne fahitan'Andriamanitry.
Chapter 3
1
Hanomboky hidera-tegna indraiky me iay? Iay da tsy mila gne taratasy fagnamarinagny aminareo na avy aminareo, ako gne olo sasany, sa tsy izany?
2
E tegnanareo gne taratasy fagnamarinagny, izay voasoratry am-pontsika, izay fantatry sady vakin'gne olo marobe.
3
Anareo da mampiseho fa taratasy fagnambarana avy amin'i Kristy, izay natolotry tsika. Izany da tsy voasoratry tamin'gne ranomainty fa tamin'gne Fagnahin'e Andriamanitry velogny. Izany da tsy voasoratry tamin'gne takela-bato, fa tamin'gne takelaky gne fon'e olombelogny.
4
Da izany gne toky izay anagnatsika eo anatrehan'Andriamanitry amin'gne alalan'i Kristy.
5
Isika da tsy mahefa amin'gne tegnatsika mba handray ndre ino ndre ino izay avy amintsika. F'izy, gne fahefantsika da avy amin'Andriamanitry.
6
Andriamanitry gne nagnano antsika mba ho mpanompon'gne fagnekegny vaovao. Izany da fagnekegny tsy avy amin'e soratry fa an'e Fagnahy. Fa gne soratry mamono, da gne Fagnahy magnome aigny.
7
Da gne asa izay niteraky fahafatesagny - da voasoratry tambonin'gne vato - da tonga tamim-boninahitry zakabe ka gne vahokan'Israely da tsy hafaky nibanjigny gne tavan'i Mosesy. Izany da nohon'gne voninahitry gne tavany, gne voninahitry izay nihalevogny.
8
Ho voninahitry zakabe akoignaia gne asa izay anin'gne Fagnahy?
9
Fa ra nanagny voninahitry gne asan'gne fagnameloagny, da akoignaia gne fitomboan'gne voninahitry gne asan'e fahamarinagny!
10
Satria tokotry, izay nomena voninahitry ndraiky da tsy hanamboninahitry esanaky amin'izany fomba izany, nohon'gne voninahitry izay mampitombo izany.
11
Fa ra gne nandalo fotsiny gne nanagny voninahitry, da tsy hanagny voninahitry mihoatry noho izay me iza maharitry!
12
Satria managny toky ako izany isika, da sahy tokotry.
13
Isika da tsy ako an'i Mosesy, izay nagnarogny gne tavany tamin'gne voaly, mba tsy hahafahan'gne vahoakan'Israely magnety anazy mivantagny amin'gne fiafaran'gne voninahitry izay nandalo avao.
14
Fa gne sain-dreo da donto. Ndre hatramin'izao izany voaly izany da mbola mijanogny amin'gne famakiagny gne fagnekegny taloa. Tsy misokatry izany, satria ao amin'i Kristy avao izany gne asorigny.
15
Ndre da minizao aza, ndre ovia ndre ovia gne vakigny e lalàgnin'i Mosesy, da magnarogny gne fon-dreo gne voaly.
16
Nefa ra mitodiky amin'e Tompongje olo, da esorigny gne voaly.
17
Sady e Tompo da Fagnahy. Izay misy gne Fagnahin'e Tompo da misy fahafahagny.
18
Da isika marobe, tsy misarom-boaly, da mahita gne voninahitr'e Tompo. Isika da efa vaovao ho amin'gne voninahitry mitovy izay avy amin'gne voninahitry ho amin'e voninahitry, izay avy amin'e Tompo, tsy ia fa gne Fagnahy.
Chapter 4
1
Noho izany, satria iay managny izany asa fanompoagny izany, sady vo nahazo famondram-po, da kivy iay.
2
F'izy, nolainay gne fomba mahamegnatry sy mifiny. Tsy miaigny amin'gne fitaky iay, sady mampiasa marina gne zakan'Andriamanitry. Amin'gne fagnambaragny gne marina, iay da mandidy gne tegnanay gne amin'gne feon'e fieritreretagn'gne olo mba ho entigny imason'Andriamanitry.
3
Fa raha voasarogny gne filazantsaranay, izany da hovoasarogny amin'gne izay maty raiky avao.
4
Amin'gne toe-javatry mitranga amin-dreo,gne andriamanitr'izao tontolo izao nahajamba gne saigny tsy minon'izy ireo. Vokatr'izay, tsyafaky mahita gne fahazavan'gne filazantsaran'e vononahitr'i Kristy indreo, izay andrik'Andriamanitry.
5
Fa iay tsy magnambara gne tegnanay, fai Kristy Jesosy ako gne Tompo, da gne tegnanay ako gne mpanomponareo nohon'gne amin'i Jesosy.
6
Fa Andriamanitry da gne raiky izay nizaka hoe:" Gne fahazavagny hamiratry amin'e mizigny." Izy namiratry tam-ponay, mba hagnome gne fahazavan'gne fahalalagny gne voninahitr'Andriamanitry amin'gne fagnatrehan'i Jesosy Kristy.
7
Fa iay managny izany harena izany agnatin'e tavoara tanimanga, mba hazava fa gne hery zakabe mihoatry lavitry da an'Andriamanitry fa tsy anay.
8
Ampahoriagny amin'gne fomba marobe iay, fa tsy resy. Very hevitry iay fa tsy feno famoizam-po.
9
Enjehigny iay fa tsy nilaozany. Vonoigny iay fa tsy rava.
10
Mitondra eo amin'gne tegnanay gne fahafatesan'i Jesosy hatrany iay, amin'izay gne fiainan'i Jesosy avokoada hiboky amin'gne tegnanay.
11
Iay zay velogny da mitondra hatrany amin'gne vatanay gne fahafatesan'i Jesosy, amin'izay gne fiainan'i Jesosy da hiboky amin'e vatanay olombelogny.
12
Noho izany gne fahafatesagny da miasa amitsika, fa gne fiainagny miasa aminareo.
13
Fa iay managny fagnahin'gne finoagny mitovy araky izay voasoratry hoe:
14
"Nino iao, da nizaka iao." Mino avokoa iay,da nizaka avokoa iay. Fantatrinay fa gne raiky nanangagny e Tompo Jesosy da hanangagny antsika avokoa miaraky amin'i Jesosy. Fantatrinay fa hitondra anay miaraky aminareo amin'gne fanatrehagny Izy.
15
Gne ra marobe da ho anareo mba, arakin'gne fahasoavagny voaparitaky tamin'gne olo maro, gne hitomboan'gne fanomezam-pisaoragny amin'e voninahitr'Andriamanitry.
16
Noho izany da tsy ho kivy iay. Ndre malemy hivelany aza iay, da havaozigny isan'andro isan'andro gne agnatinay.
17
Fa amin'izao andro mandalo izao, gne fahoriagny maivagny da manomagny anay ho amin'gne lanjan'e voninahitry maharitry mandrakizay izay mihoatry gne fandanjagny rehetra.
18
Fa isika tsy magnety gne ra hita, fa gne ra tsy hita. Gne ra hitatsika da tsy maharitry, fa gne tsy hita da maharitry mandrakizay.
Chapter 5
1
Lalatsika fa raha rava gne fipetrahagny eto an-tany izay ipetrahantsika, da managny tragno avy amin'Andriamanitry atsika. Izany da tragno tsy namboarin'e tagnan'olombelogny, fa tragno mandrakizay, agny an-dagnitry.
2
Faetoamity tragno lapalapa ty atsika gne misento, magniry mafy gne hisikigny gne fipetrahantsika agny an-dagnitry.
3
Magniry mafy an'izany atsika satria ame fagnamboarantsika an'izany da tsy ho hita mikojy atsika.
4
Fa raha mbola eto amity tragno lapalapa ty tokotry atsika, da misento, mavesatry entagny. Tsy te hikojy atsika. Fa kosa, te hisikigny atsika, mba ho atelignin'e fiainagny izay mety maty.
5
E raiky izay magnomagny atsika ho amizany raha izany da Andriamanitry, izay nagnome atsika gne Fagnahy ho fagnambaragny izay ho avy.
6
Noho izany da matokisa fezay. Tongava saigny fa refa ao an-dragno ame vatagny atsika, da lavitry gne Tompo.
7
Fa mandeha ame finoagny atsika, fa tsy ame fahitagny.
8
Noho izany da managny fahatokisagny atsika. Aletsika lavitry gne vatagny fa ao an-dragno miaraky ame Tompo.
9
Ka da anitsika tanjogny izany, ndre agny an-dragno atsika ndre lavitry an'izany, mba hafinaritry an'Azy.
10
Fa atsika agnaby da tsy maintsy hiboaky eo alohan'e seza fitsaran'i Kristy, mba mety azahoan'e tsiraidraiky izay mifagnaraky am raha vita tao ame vatagny, na ho ame tsara na ho ame ratsy.
11
Noho izany, gne fahalalagny gne tahotry gne Tompo, gne handresetsika lahatry gn'olo. Gne maha atsika atsika da hitan'Andriamanitry mazava. Atenaiko fa mazava ame feon'e fieritreretanareo avakoa izany.
12
Tsy miezaky gne handresy lahatry anareo indraiky iay mba hagnety anay ako gne mahitsy fo. Fa kosa, magnome antony ho anareo hirehareha nohon'e aminay iay, mba hanagnanareo valin'e zaka ho an'izay mirehareha gn'me endriky ivelany fa tsy gn'amizay ao am-po.
13
Fa raha very saigny iay, da ho an'Andraimanitry izany; da raha tonga saigny tsara iay. da ho anareo izany.
14
Fa gne fitiavan'i Kristy gne magnery anay, saria azonay antoky gne hoe: nisy olo raiky maty ho an'e olo agnaby, sady noho izany da maty gn'olo agnaby.
15
Maty Izy ho an'olo agnaby, mba tsy ho velogny ho an'e tegnandreo koa indreo izay velogny fa ho an'Azy izay maty sady natsangagny nohon'e fitiavagny andreo.
16
Noho izany antony izany, manombok'izao da tsy mitsara ndre ia ndre ia arak'e fomban'olombelogny atsika, ndre da efa nagnety an'i Kristy akô izany aza atsika taloha. Fa amizao fotoagny izao atsika da tsy mitsara ndre ia ndre ia akô izany koa.
17
Noho izany, raha misy olo ao amin'i Kristy da olo vaovao izy. Efa lasa gne raha taloha. Indreo, fa efa lasa vaovao indreo.
18
E raha agnaby da avy amin'Andriamanitry. Nampihavaniny tame Tegnany tame alalan'i Kristy atsika, sady nomeny atsika gne asa fanompoan'e fampihavanagny.
19
Izany hoe, ao amin'i Kristy Andriamanitry gne mampihavagny izao tontolo izao ame Tegnany, tsy magnisa gne fahadisoandreo amindreo. Nankininy taminay gne hafatrin'e fampihavanagny.
20
Ka voatendry ho mpisolon-tegnan'i Kristy iay, ohatrany hoe ame alalanay gne hagnamboaran'Andriamanitry gne fagnatsovany. Miangavy anareo iay, noho i Kristy: "mihavàna amin'Andriamanitry!"
21
Namboariny lasa sorogny ho an'e fahotantsika kristy. Izy e raiky izay tsy nanota mihitsy. Namboariny izany mba ho lasa fahamarinan'Andriamanitry ao amin'Azy isika.
Chapter 6
1
Miara miasa amin'Azy, iay koa da mamporisiky anareo tsy handray gne fahasoavan'Andriamanitry fahatany.
2
Fa nizaka Izy hoe: "Tame fotoagny mety da niteno anareo Iao, sady tame andro famonjegny da nagnampy anareo Iao. Iteo, amizao fotoagny izao gne fotoagny mety. Iteo, amizao fotoagny izao gne andro famonjegny.
3
Tsy magnapetraky vato fanafitohinagny eo alohoan'ia ndre ia iay, fa iay tsy magniry gne haharatsy laza gne asa fanompoanay.
4
Fa kosa, iay da magnaporofo gne tegnanay ame asanay agnaby, fa mpanompon'Andriamanitry iay. Iay gne mpanompony ame fiaretagny be, fahoriagny, fahateregny, fahasarotagny,
5
gne fiky, fagnagadragny, fikomiagny, ame asa mafy, ame aligny tsisy torimaso, ame mosary,
6
ame fahadiovagny, fahalalagny, faharetagny, fahatsoram-po, ame Fanahy Masina, ame tena fitiavagny.
7
Iay gne mpanompony ao ame zakan'e fahamarignagny, ao ame herin'Andriamanitry. Iay da managny gne fiarovan'e fahamarignagny ho an'e tagna ankavana izy ame akavia.
8
Iay da miasa ame voninahitry izy ame fahafa-baraka, ame fagnaratsiagny izy ame fideragny. Iay da voampanga ho mpamitaky f'izy iay da marigny.
9
Iay da miasa akô io tsisy mahalala io f'izy iay da mbola malaza. Miasa agnady ho faty iay iteo - mbola miaigny iay. Miasa akô saziagny nohon'e asanay nefa tsy akô gne voaheloky ho faty. Iay da miasa akô gne malahelo, f'izy da mifalifaly fezay.
10
Iay da miasa akô gne sahiragny, f'izy manakaregny olo maro iay. Miasa akô gne tsy managny ndre ino ndre ino iay f'izy akô gne managny gne raha agnaby.
11
Iay da nizaka gne marigny agnaby taminareo, ry korintiana, sady gne fonay da mivoha midagnadagna.
12
Gne fonareo da tsy nofihezinay, fa anareo gne namehy e fihetseham-ponareo manokagny.
13
Sady ho valiny arak'e rariny - miresaky aminareo akô ame zaza iao-voay hidagnadagna gne fonareo.
14
Ka mifamatotry ame tsy mpino. Fa ino gne iresan'e fahamarignagny izy ame fandikan-dalàgny? Fa ino gn'iarahan'e mazava izy ame mizigny?
15
Ino gne mety ho fifagnarahagny eo amin'i Kristy izy amin'i Beliala? Na ino gne tokony anjara anagnan'e mpino raiky izy ame tsy mpino raiky?
16
Da ino gne fifagnarahagny misy eo ame fiangonan'Andriamanitry izy ame sampy? Fa atsika da fiangonan'Andriamanitry velogny, araky gn'efa nozakain'Andriamanitry hoe: "Hipetraky eo amindreo Iao sady handeha eo amindreo. Iao da ho Andriamanitrindreo sady indreo da ho oloko."
17
Noho izany, "mijotsoa iala teo amindreo, da mitokàna," hoy gne Tompo. "Ka mikasiky raha maloto, da handray anareo Iao.
18
Iao da Ray ho anareo, sady anareo ho zanako lahy da ho zanako viavy", hoy gne Tompo Tsitoha.
Chapter 7
1
Gne malalako, hatrame nanagnatsika gne zaka fikasagny da aoka atsika hagnadio gne tegnatsika ame raha agnaby izay mampisy fahalotoagny eo ame vatagny izy ame fagnahitsika. Aoka atsika hikatsaky gne fahamasinagny ame fahatahoragny an'Andriamanitry.
2
Raiso iay! Fa tsy nagnano ratsy tamin'ia na ia. Tsy nandratry na nagnararaotry ndre ia ndre ia iay.
3
Tsy hagnameloky anareo gne hizakako an'izao. F'efa nozakaiko fa ato amponay anareo, fa miara-maty sady miara-velogny atsika.
4
Managny fahatokisagny zakabe anareo iao, sady mirehareha nohon'e aminareo. Feno fampiononagny iao. Mitobatobaky gne hafaliako ndre da eo agnaby aza gne fampahoriagny .
5
Refa avy tagny Makedonia iay, tsy hanagny fitsaharagny gne tegnanay. noho izany, ory tame fomba maro iay nohon'e fifandiragny tagny ambadiky, izy ame tahotry tao agnaty.
6
Fa Andriamanitry, izay mpampahery gne kivy, nampahery anay tame fevian'i Titosy.
7
Tsy tame alalan'e feviany fotsiny gne nampaherezan'Andriamanitry atsika. Fa tame fampaherezagny izay noraisin'i Titosy lat'aminareo. Mizaka atsika izy gn'ame hazakaben'e fitiavanareo, gn'alahelonareo, sady gne fiahianareo anà mafy. Ka hifaly mandrakizay iao.
8
Ndre da nampalahelo anareo aza gne taratasiko, da tsy nampanegnigny anà izany. Fa nanegnigny tamizany iao refa nahita fa nampalahelo anareo gne taratasiko. Fa nalahelo nandritran'e fotoagny foiky anareo.
9
Amizao fotoagny izao da faly iao, tsy hoe satria ory anareo, fa satria gne alahelonareo gne nitondra anareo ho ame fibebahagny. anareo da niaigny gne fahoriagny ao amin'Andriamanitry, ka tsy nisy very gne nijalianareo ho anay.
10
Gne fahoriagny ao amin'Andriamanitry da minday ame fibebahagny mba hahatanteraky gne famonjegny tsisy fanegnenagny. Ndre izany aza, gne alahelon'izao tontolo izao, da minday fahafatesagny.
11
Iteo gne vokatr'e hazakaben'e fikirizanareo tame fahoriagny ao amin'Andriamanitry. Zakabe tokotry gne hazakaben'e fikirizagny tao aminareo mba hagnaporofoagny fa tsy manan-tsigny anareo. Zakabe tokotry gne hazakaben'e havigniranareo, gne tahotrareo,gn'alahelonareo, gne zotom-ponareo, da gne fagnirianareo ahita gne fahamarinagny izay tokony amboarigny. Ame raha agnaby da nagnaporofo tame tegnanareo anareo mba tsy ho meloky amizany raharaha izany.
12
Ndre da nanoratry taminareo aza iao, iao da tsy nanoratry ho an'e mpagnano ratsy, na ho an'e raiky izay miharitry gne ratsy. Nanoratry iao mba tokony hampahafantaragny gone fazotoanareo teo aminay eo agnatrehan'Andriamanitry.
13
Tame alalan'izany gne nampaherezagny anay. Mihoatry nohon'e fampaherezagny izay efa anagnanay, nihoa-papagny gne fifaliany nohon'e fifalian'i Titosy, satria gne fagnahiny da velombelogny nohon'e aminareo agnaby.
14
Raha ohatry ka nirehareha tamin'azy gne momba anareo iao, da tsy mba afa-baraka iao. Mifanohitry amizany, gne raha izay nozakainay taminareo agnaby da marigny aby, gne fireharehanay momba anareo tamin'i Titosy da voaporofo fa marigny.
15
Gne fitiavany anareo da zakabe kokoa, ako gne nahatsiarovagny gne fankatoavanareo agnaby, Ô rô gne fandraisanareo an'azy tame tahotry izy ame hovitry.
16
Faly iao satria managny fahatokiagny tanteraky taminareo.
Chapter 8
1
Tianay ho fantatrareo, ry ralà, gne momban'e fahasoavan'Andriamanitry izay nomegny taminareo fiangonan'i Makedonia.
2
Nandritran'efitsapagny zakabe amin'e fahoriagny, gne fitobaky gne haliagny sy gne fara-fahantran-dreo da niteraky haren-zakaben'e falalan-tagna.
3
Satria mijoro vavolombelogny iao fa nagnano be arak'izay vitany indreo, sady mihôtry an'i, ay vitany azaky. Sady tamin'e sitrapon-dreo manokagny
4
sy niaraky tamin'e fangatahan-dreotaminay gne fahefagny mba hanagny anajara amin'ity asa fanompoagny eo aminareo mpino ity.
5
Tsy nibohaky arak'izay nantenainay izany. F'izy, nanolotry gne tegnany mialoha taminin'Andriamanitry indreo. Sady nanolo-tegna ho anay indreo tamin'e sitrapon'Andriamanitry.
6
Da namporisiky an'i Titosy iay, izay efa nanomboky an'izany asa izany, mba hagnantanterahagny gne fahasoavagny eo aminareo.
7
Fa anareo da manan-karegny amin'e raha agnaby, amin'e finoagny, amin'e zaka, amin'e falalagny, amin'e fahazotoagny agnaby, sady amin'e fitiavanareo anay. Ka amboaro azo antoky mba hanan-karegny amin'izany asa fahasoavagny anareo. [ Gne ULB sy gne UDB, miaraky aminareo dikan-teny maro hata, da mivaky akô izao: "Ao amin'e fitiavanareo anay."amin'e Gne dikan-teny hata da mivaky akô izao: "Sady ao amin'e fitiavanay anareo"]
8
Tsy mizaka izany akô gne didy iao. F'izy, mizaka izany iao amin'e fitsapagny gne fahamarinagny fitiavanareo amin'e fampitahagny izany amin'e zotom-pon'olobhafa.
9
Satria fantatrareo gne fahasoavan'e Tompontsika Jesosy Kristy.Ndre da nanan-karegny azaky isy, da lasa sahiragny noho anareo, da amign'alalan'e tahasahiragnagny e mety ahazoanareo haregny.
10
Amizanyresaky izany da hagnome toro-hevitry anareo iao izay hagnampy anareo. Herintaogny lasa izay, da tsy nanomboky nagnano zavatry avao anareo, fa nagniry gne magnano izany.
11
Amizao vitao izany, akô gne nisian'e zotom-po sy gne faniriagny hagnano izany, da enga anie hagnantanteraky izany koa anareo, arak'izay azonareo hatao.
12
Satria râ magniry mafy gne hagnano izany asa izany anareo, da raha tsara sy azo ekegny izany. Tsy maintsy mifototry amin'izany hanagnan'e olo raiky izany, fa tsy izay tsy anagnany.
13
Fa izany asa izany daa tsy mba hagnameva gne hafa sady hagnavesatry anareo. F'izy, tokony hisy gne rariny.
14
Gne harenareo amin'izao tontolo izao da hagnome izay tadiavin-dreo. Da izany avakoa da mbola hagnomezan'e haren-dreo izay tadiavinareo. Sadzy mba agnomezan-dreo gne rariny
15
Araky izay efavôsoratry hoe: "Gne raiky izay nanagny betsaky da tsy nanagny sisa, fa gne raiky izay nanagny gne kidy da tsy nanagny gne tsy ampy.
16
Fa an'Andriamanitry gne fisaoragny, izay nametraky gne tao am-pon'i Titosy gne fahamatoragny izay anagnako aminareo.
17
F'izy tsy nagneky fotsiny gne antsontsika, fa tena matotry gn'aminizany avakoa. Nagnantogny anaobtamin'e sitrapony manonkagny izy.
18
Nalefanay izy niaraky tamin'e ralà izay noderaigny teo agnivon'e fiangonagny agnaby noho gn'asany izay mitory gne filazantsara.
19
Tsy izany avao, fa izy avakoa da notendren'ireo fiangonagny mba handefa hiaraky aminay hinday izao asan'e fahalalan-tagna izao. Izany da ho an'e voninahitr'izy Tompo sady ho an'e fagnirianay hagnampy.
20
Mitandrigny izy gn'amin'e mety hisian'e olo mitaraigny mombanay mahakasiky an'io asa fahalalan-tagna izay hataonay io.
21
Da mila mitandrigny iay mba hagnano gne mendriky, fa tsy oe agnatrehan'e Tompo raiky avao, fa eo alohan'e olo koa.
22
Mandefa ralàk raiky hafa avao iay miaraky amindreo. Matetiky iay gne nitsapa anazy, sady nahita anazy mafana fo tamign'asa maro. Mazoto tokôtry izy amizao noho gne fahatokisagny zakabeizay anagnanayaminareo.
23
Râ gne amin'i Titosy, izy gne namako sy mpiara-miasa aminà ho anareo. Râ gn'amin'e ralànay, da nalefan'ireo fiangonagny indreo. Voninahitry ho an'Kristy indreo.
24
Da abohay anazy ireo gne fitiavanareo, sady abohay fiangonagny gn'antony fireharehanay momba anareo.
Chapter 9
1
Mikasiky gn'asa fanompoagny ho an'e mpino, tsy tena tadiaviko gne manoratry ho anareo.
2
Lalako gne momba hne fagnirianareo, izay ireharehako amin'e olon'i Makedonia. Nozakaiko andreo fa Akaia da efa vonogny nanomboky tamin'e taogng lasa. Gne zotom-ponareo gne nanosiky gn'ankamaroan-dreo hiasa.
3
Sady nirahako gne ralà mba tsy ho zava-pôgny gne fireharehantsika momba anareo, sady ho vonogny anareo, araky gn'efa nozaikako ho anareo.
4
Râ tsy izany, râ misy Makedonia maro miaraky aminà safy mahita anareo mbola tsy vonigny, da ho megnatry isika-tsy mizaka ndre ino ndre ino momba anareo iao-noho gne fahatokiagny anareo.
5
Da mieritreritry iao fa ilaigny gne mamporisiky ireo ralà handeha aminao sady hagnano fifagnarahagny mialoha gn'amin'e fagnomezagny efa nampagnantegnahinao. Izany da ahafahagny mivonigny akô gne fitahihagny, fa tsy akô gne zavatry tsy azo ekegny.
6
Gne tena izy da ity: Gne raiky izay mamafy kidy da hihila gne kidy avakoa, sady gne raiky izay mamafy amin'e tanjom-pitahiagny da hihila fitahihagny avakoa.
7
Avelay gne tsikiraikiraiky hagnome araky izay efa norafetig y tao am-pony. K'avela magnome fahoriagny na faneriteregny izy. Fa gne mpagnome am-pifaliagny nge tian'andriamanitry.
8
Sady Andriamanitry da afaky mampitombo gne fitahihagny ho anao, mba, amin'e raha agnaby, da afaky hahazo izay ilainareo rehetry mandrakariva anareo. Izany gne jisy da mba ahafahanareo magnantombo gn'asa soa anareo.
9
Izany da araky gne vôsoratry hoe: "Nozaraigny ireo harenany sady nagnome anazy ireny ho an'e sahiragny. Maharitry mandrakizay gne fahamarinagny. "
10
Izy izay mamatsy voa ho an'e mpamboly izay mamafy sy gne mofo ho an'e sakafo, da hamatsy sy hampitombo gne voanao avakoa ho amin'e famafazagny. Hampitombo gnevokatry gne fahamarinanao izy.
11
Hahazo haregny amin'e fomba rehetry anao mba hahatonga anao ho malala-tagnà. Izany da hinday fanehoam-psaoragny an'Andriamanitry amin'e alalanay.
12
Gne fagnatanterahagny ionasa fanompoagny io da tsy vitan'enhoe mahafeno gne raha ilain'e mpino avao. Mitombo avakoa izany amign'asa fagnomezan-pisaoragny an'Andriamanitry maro.
13
Fa nho gne fitsapagny anareo izay voaporofo amin'io asa io, da hagnome voninahitry an'Andriamanitry koa anareo amin'e fankatoavagny gne fifonareo amin'e filazantsaran'i Kristy. Da hagnome voninahitry an'Andriamanitry koa anareo amin'e fahalalahan-tagnanreo amin'e fagnomezagny ho andreo sy gn'olo agnaby.
14
Magniry anao indreo, sady mivavaky ho anao indreo. Magnano izany indreo noho gne fahalebiazan'e fahasoavan'Andriamanitry ao aminao.
15
Ho an'Andriamanitry anie gne saotry noho gne fagnomezagny tsy hai zakaigny!
Chapter 10
1
Iao, Paoly, miangavy anareo gne tegnako, amin'e fanetren-tegna izy ame hamoram-pagnahin'i Kristy. Malemy fagnahy iao refa eo amin'e fagnatrehanareo, nefa masà gn'aminareo iao refa tsy eo.
2
Magnataky aminareo iao, refa miaraky aminareo iao, tsy mila masà amin'e fahatokisan-tegna. Nefa iao mieritreritry fa mila masà manohitry ireo izay mihevitry fa isika da miaigny arak'e nofotry.
3
Fa ndre da izany mandehana arak'e nofotry iay, tsy miady arak'e nofotry.
4
Fa gne fiadanagny izay iadianay da tsy ara-nofitry. Noho izany, managny hery avy agny an-dagnitry ireo mba hamotehagny gne fagnahy ratsy. Fa tsy minday ndre inogne hevi-pitak'indreo.
5
Ho simbahintsika avakoa ireo raha ambony izay manangagny fagnoheragny fahalalagny an'Andriamanitry. Fa mihevitry gne hambabo gne tsikiraikiraiky amin'e fankatoavagny an'i krisy isika.
6
Sady miomagna amin'e fifehezagny gne fehetsiky tsy fankatoavagny agnaby isika, vantany vao tanteraky gne fankatoavanareo.
7
Taragno mazava izay eo alohanareo. Fa ndre ia ndre ia gne resy lahatry fa izy gne Kristy, aoky ampahatsiaro gne tegnanay izy fa izy tokôtry da Kristy, da akô izny koa isika.
8
Eka fa ndre da nirehareha kidy azaky iao momban'e fahefantsika, izay nomen'e Tompo antsika mba hanangagny sady tsy hamilavila anareo, tsy ho megnatry iao.
9
Tsy tirko izany gne hampitahotry anareo amign'alalan'e taratasiko.
10
Fa gn'olo sanany mizaka hoe: "Matotry sy mahery gne taratasiny, nefa malemy ara-batagny izy. Tsy mendriky hotenomagny gne zakany. "
11
Aoky gn'olo akô ireny ahaafantatry fa ireo zaka ao amin'e taratasinay tamin'e fotoagny tsynnahateo anay danmaneho gn'asa tokony honhataonay refa avy iay.
12
Tsy mandeha lavitry iay na mampitovy gne tegnanay amin'ireo izay midoka-tegna. Fa rà mandrefy gne tegnany amin'e hafa indreo sady mampitovy gne tegnany amin'e hafa, da tsy ho maligny.
13
Isika, ndre izany azaky, tsy hirehareha mihôtry gne tkony ho izy. F'izy, aninay avao izay misy fetrany arak'e gne nandren'Andriamanitry anay., fetry izay mahakasiky anareo.
14
Fa tsy mitandrigny gne tegnanay iay refa avy tegny aminareo. Iay gn'avy vôlohzny hatragny aminareo miaraky tamin'e filazantsaran'i Kristy.
15
Tsy nirehareha mihôtry gne fetry isika gne momba gn'asan'e sanany. F'izy, ategnaigny fa hitombo fpgne finoanareo amign'asa zakabe mindigny gne tsiraikiraiky, sady samby amin'e fetrany aby. 16Fa izao gne antegnaigny, mba ahafahagny mitory gne filazantsara ndre da agny amin'e toeragny lavitry anareo azaky. Tsy hirehareha momba gn'asa efa vita tagny amin'e faritry hafa isika.
17
"Nefa aoky gne raiky iza mirehareha, hirehareha ao amin'e Tompo."
18
Fa tsy gne raiky izay manolotry gne tegnany gne ankatoavigny. F'izy, aoky gne raiky izay natolotry gne Tompo.
Chapter 11
1
Magniry iao mba ahafahanareo mamela anah hagnano fahadalàgny kely sasany. Fa tena mamela anah tokôtry anareo!
2
Fa saro-piaro e momba anareo iao. Managny fahasarotam-piaro araky an'Andriamanitry aminareo iao, hatramin'e nagnomezako toky anareo tao amin'e fanambadiagny ho an'e vady raiky avao. Nagnome toky iao gne hanolotry anareo akô gne virjiny madio ho an'e Kristy.
3
Fa matahotry iao fandrao, akô gne namitahan'e menaragny an'i Eva tame alalgn'e hafetseny, gne eritreritrareo da mety hiala ame fanoloran-tegna amin-kitsim-po sy madio amin'i Kristy.
4
Fa eritrereto hoe misy ologny raiky avy hitory an'i Jesosy hafa noho ilay raiky toriantsika. Na eritrereto hoe mandray Fanahy hafa noho zay efa raisinareo anareo. Na eritrereto hoe mandray filazantsara hafa noho ilay raiky zay raisinareo anareo. Mamela ireny raha ireny tsara avao anareo!
5
Satria mieritreritry iao fa tsy farany ambany noho ireo zakaigny fa hoe apostoly ambony.
6
Fa ndre da tsy nizaragny nandaha-teny aza iao, da nizaragny tame fahalalagny. Tamin'e fomba rahetra da tamin'ireo raha rehetra da namboarinay ho lalanareo zany.
7
Moa nanota me iao tamin'e fanetren-tenako mba hisandratanareo? Fa nitory gne filazan-tsaran'Andriamanitry maimaimpoagny ho anreo iao.
8
Nandroba ireo fiangonagny hafa iao tamin'e alalan'e fanekegny fanohanagny avy amindreo mba ahafahako manompo anareo.
9
Rehefa niaraky taminareo iao sady nila fagnampiagny, da tsy nagnavesatry ndre ia ndre ia. Fa ireo raha nilaiko da nomen'ireo mpirahalà zay avy agny Makedonia. Tamin'e raha rehetra da nitandrigny gne tegnako tsy ho enta-mavesatry aminareo iao, sady hanohy zany.
10
Raha ato aminah gne fahamarinan'i Kristy, da tsy hangigny zany fireharehako zany any amin'e faritr'i Akaia.
11
Nahoagny? Satria tsy tiako me anareo? Andriamanitry mahalala.
12
Sady gne raha amboariko da mbola hamboariko fezay, mba metyahafahako manala gne fitaraignany nohon'gne fanakianagny anah da gne fitarainagny noho ireo zay tiandreo hireharehagny-fa indreo da hita magnamboatry mitovy amin'zay amboarinay.
13
Fa gne ologny akô zany da apostoly sandoky da mpiasa mamitaky. Indreo da magnamboatry sarintsarin'e tegnany akô gne apostoly.
14
Sady zany da tsy mahagaga, fa ndre gne satana aza maneho gne tegnany akô gne anjelin'e fahazavagny.
15
Tsy mahagaga koa raha maneho gne tegnandreo akô gne mpanompon'e fahamarinagny ireo mpanompony. Gne anjarandreo da zay mendriky gne asandreo.
16
Zakaiko koa hoe: "Aza avela hisy hieritreritry hoe adala iao. Fa raha magnano zany anareo, da raiso akô gne adala iao ka hirehareha kely.
17
Zay zakaiko momba ty fahatokiagny mirehareha ty da tsy araky gne zakain'Tompo, fa mizaka akô gne adala iao.
18
Fa efa maro gne ologny gne mirehareha araky gne nofo, da nirehareha avakoa iao.
19
Nagneky am-pifaliagny ireo adala anareo. Da hoe hendry gne tegnanareo! Fa mandefitry amin'e ologny
20
anareo raha magnandevo anareo, magnararaotry anareo, mandray gne tegnany ho ambony noho anareo, na raha mamely tehamaigny anareo izy.
21
Ho lazaiko amin'e fahafam-barakanay fa mamely loatry iay tamin'e fagnamboaragny zany. Raha misy mirehareha-da miresaky akô gne adala iao- Iao avakoa da hirehareha.
22
Hebreo me indreo? Iao avakoa. Isiraelita me indreo? Iao avakoa. Taranak'i Abrahama me indreo? Iao avakoa.
23
Mpanompon'i Kristy me indreo? ( Miresaky ako e ologny very saigny iao.) Mihoatry noho zany iao. Mbola niasa mafy nihoatry noho zany aza iao, tagny am-ponja matetiky, tamin'e kapoky mihoatry gne fepetry, tamin'e fiatrehagny loza maro mahafaty.
24
Avy amin'e alalan'ireo Jiosy gne nandraisako"Kapoka efapolo latsaky raiky" Indimy.
25
Intelo iao gne nokapohigny tamin'e kakazo. Indraiky iao gne notoraham-bato. In-telo iao gne vaky sambo. Nandany raiky aligny da raiky andro tegny andranomasigny iao.
26
Nandeha matetiky iao, tamin'e lozan'e ony, tamin'e lozan'e mpandroba, tamin'e lozan'e oloko manokagny, tamin'e lozan'ireo jentilisa, tamin'e loza tagny an'efitry, tamin'e loza tagny an-dranomasigny, tamin'e loza avy amin'ireo rahalà sandoky.
27
Efa tamin'e asa mafy da raha sarotry iao, tamin'e aligny tsy misy torimaso, tamin'e hanoanagny da hetaheta, tamin'e fifadin-kanigny matetiky, tamin'e hatsiaky da fitanjahagny.
28
Ankoatry gne raha hafa, misy tsindry isan'andro aminah nojon'e fanahiako amin'e fiangonagny agnaby.
29
Ia gne malemy, ka tsy malemy iao? Ia gne manafitohigny, ka tsy mirehitry iao?
30
Raha tsy mentsy mirehareha iao, da hirehareha momba zay maneho ireo fahalemeko.
31
Ilay Andriamanitry da Rain'e Tompo Jesosy, ilay raiky zay deraigny mandrakizay, da mahalala fa tsy mivandy iao!
32
Tagny Damaskosy, gne governora ambanin'e Areta mpanjaka da niambigny gnd tanànan'i Damaskosy mba hisambotry anah.
33
Fa nampidinigny tame sobiky teo qmin'e varavaran-kely raiky teo amin'e manda iao, ka da nilefa gne tagnany.
Chapter 12
1
Iao da tsy mentsy mirehareha, fa tsy misy ndre ino ndre ino azo avy amin'zany. Fa iao da hanohy gne amin'ireo fahitagny da ireo fagnambaragny avy ame Tompo.
2
Mahalala lelà ao ao amin'i Kristy iao zay efatry amby folo taogny lasa zay-Na ao ame tegna na ivelan"e tegna, iao tsy mahalala, Andriamanitry mahalala-nalaigny niakatry tagny ame lagnitry fahatelo.
3
Sady lalako fa io lelà io-ndre amin'e tegna, ndre ivelan'e tegna, iao tsy mahalala, Andriamqnitry mahalala-da
4
da nalaigny niakatry tao ame paradisa sady naregny raha zay tena masigny loatry ame ologny gne hizaka anazy? Amign'agnaran'e ologny akô zany da hirehareha iao.
5
Fa amign'agnaran'e tegnako da tsy hirehareha iao, afa-tsy gne momba ireo fahalemeko.
6
Raha te hirehareha iao, da tsy ho adala iao, fa te hizaka gne marigny. Fa hifehy tegna amin'e fireharehagny iao, mba tsy hisy ndre ia ndre ia hihevitry anah ho ambony noho zay hita aminah na regny avy aminah.
7
Hifehy tegna amin'e fireharehagny avakoa iao noho ireo karazagny fagnambaragny miavaky ireo. Noho zany, mba tsy ho feno fireharehagny iao, da nasiagny tsilo gne nofoko, gne mpitondra hafatr'i Satana hanakorontagny anah, mba tsy hirehareha loatry iao.
8
Intelo iao gne nitalaho tame Tompo gne momba zany, mba hanaisoragny zany aminah.
9
Fa hoy izy taminah hoe: "Ampy ho anao gne fahasoavako, fa gne hery da namboarigny ho lafatry ao ame fahalemegny." aleoko mirehareha bebe kokoa gne amin'e fahalemeko, mba hipetrahan'e herin'e Kristy ato aminah. Noh o zany finaritry noho kristy ao amin'e fahalemegny, amin'e
10
fanevatevagny, amin'e korontagny, amin'e fanenjehagny sady ao amin'e fotoan-tsarotry iao. Fa ndre oviagny ndre oviagny malemy iao, da matanjaky.
11
Iao da lasa adala! Anareo gne nanery anah amin'zany, fa iao da tokony noderainareo. Fa iao da tsy ambany noho ireo zay antsoina hoe apostoly ambony ireo mihintsy, ndre da tsinontsinogny aza iao.
12
Ireo famantaragny marignyn gny maha apostoly da notanterahigny teo aminareo tame faharetagny tanteraky, famantaragny sy fahagagagny sady asa mahery.
13
Fa ahoagny anareo anareo tsy da manan-danja noho ireo fiangonagny sasany, ankoatry gne tsy mahanvesatry anah ho anareo? Mamelà anah noho zany fahadisoagny zany!
14
Indro! Vonogny ho avy fanintelony agny aminareo iao. Tsy ho vesatry ho anareo iao, fa iao da tsy mila zay anareo. Anareo no ilaiko. Fa tsy gne zanaka gne tokony hihary ho an'ireo ray aman-dreny. F'izy, ireo ray aman-dreny gne tokony hihary ho an'ireo zanaka.
15
Iao da ho faly tanreraky handany sy ho laniagny ho an'e fanahinareo. Raha mitia ge anareo iao, da hotiavigny kely me iao?
16
Fa ndre da akô zany aza, tsy nanavesatry anareo iao. Fa satria iao fetsifetsy be, da iao e raiky zay tsy nahazo anareo tame fitaky.
17
Kaiky me nanararaotry anareo tamin'e alalan'e ologny zay nalefako taminareo iao?
18
Nagniraky malaky an'i Titosy ho agny aminareo iao, ary nalefako niaraky taminazy ireo rahalà sasany. Kaiky me magnararaotry anareo i Titosy? Kaiky me tsy miray lalagny isika? kaiky me tsy niray dia isika?
19
Mieritreritry me anareo fa nandritry an' izany fotoagny izany agnaby da niaro gne tegnanay taminareo iay? Eo agnatrehan'Andriamanitry, gne izakanay tao amin'i Kristy gne raha agnaby mba ho fampaherezagny anareo.
20
Fa matahotry iao sao refa avy iao da tsy hahita anareo araky gne fagnantegnako. Matahotry iao sao tsy ho hitanareo araky gne fagantegnareo. Matahotry iao fa sao da mety hisy fifandiragny, fialognagny, firehatan'e havigniragny, fikasagny ame fitiavan-tegnà, fifosagny, fieboeboagny, sady fikorontagnagny.
21
Matahotry iao sao refa miverigny, da hampijetsy anà eo agnatrehanareo gn'Andriamanitriko. Matahotry iao sao mety alahelo gn'ame maro izay nanota teo aloha, da mbola tsy nibebaky tamin'e fahalotoagny izy ame fijangajangagny sady gne fijejojejoagny feno fagnirian-dratsy izay nataon-dreo.
Chapter 13
1
Fagnitelony iao gne nandalovako aty aminareo. "Gne fiampangagny marobe da tsy maintsy miorigny amin'gne porofo amin'e vavolombelogny roy na telo."
2
Efa nizaka tamin-dreo izay nanota iao taloha sy tamin-dreo ambiny rehetra rehefa teo fagnidroany, da zakaiko indraiky izany:" Rehefa tonga indraiky iao, da tsy hiantra andre iao."
3
4
Mizaka anareo izany iao satriaanareo da mitady porofo fa i Kristy da mizaka amin'gne alalako. Tsy marefo aminareo Izy. F'izy, mahery aminareo Izy. Fa Izy nohombohagny amin'gne fahalemena, nefa velogny tamin'gne herin'Andriamanitry. Fa isika da marefo aminazy, f'izy isika da miara-miaigny amin'gne herin'Andriamanitry ategnategnanareo.
5
Diniho gne tegnanareo ra tianareo ho hita fa aminin'gne finiagny anareo. Tsapay gne tegnanareo. Tsy mbola azonareo an-tsaigny me izany gne momba gne amin'e tegnanareo fa i Jesosy Kristy da aminareo? -Ra toa anareo ka tsy nahomby tamin'gne fitsapagny.
6
Iao da mahatoky fa anareo da hiaiky fa isika da nahomby amin'izany fitsapagny izany.
7
Amin'izao isika da mivavaky amin'Andriamanitry fa tsy afaky agnano ra ratsy anareo. Iao da tsy mivavaky gne afaky ahitagny fa isika da nahomby amin'gne fitsapagny. F'izy, iao da nivavaky gne mba ahafahanareo magnano izay mety f'izy isika da mety ho hita ako gne tsy nahomby tamin'gne fitsapagny.
8
Fa isika da tsy afaky gne hagnano ra manohitry amin'gne fahamarinagny, fa ho an'gne fahamarinagny raiky avao.
9
Fa isika da mifaly ra marefo sady mafy anareo. Fa isika avokoa da mivavaky mba ho ataontsika feno anareo.
10
Manoratry itoa ra itoa iao ra magnalavitry anreo iao, ka ra miaraky aminareo iao da tsy voatery mitondra anareo an-katezeragny amin'gne fampiasagny gne fahefako- izay nomen'e Tompo ana, mba agnanganako anareo, sady tsy hanimba anareo.
11
Farany, ralah, mifalia! miasà ho amin'gne famerenagny amin'gne laoniny, mahereza, mifagnekea gne kiraikiraiky, miaigna am-piadanana, da gne Andriananitry e fitiavagny sy gne fiadnana da hiaraky aminareo.
12
Mifampiaraba anareo amin'e fanorohona Masina.
13
Gne mpino marobe da magnano veloma anareo. [Fagnamarinagny: Gne dikan-teny sasany da magnabara e andininy faha 13 amin'e andininy faha 12 da magnano gne andininy faha 14 ho andininy faha 13.]
14
Enga anie gne fahasoavan'e Tompo Jesosy Kristy, gne fitiavan'Andriamanitry, sy gne fiarahagny amin'e Fanahy Masigny ho aminareo marobe.
Galatians
Chapter 1
1
Paoly, Apostoly, tsy apostoly avy tame olo na tame alalan'e olo, fa avy tamin'i Jesosy Kristy izy ame Andriamanitry Abatsika, izay nanangagny Anazy tame maty,
2
da e rahala agnaby miaraky amina, da ho an'e Fiangonagny Galatianina.
3
Fahasoavagny ho aminareo sady fiadanagny avy amin'Andriamanitry Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo ,
4
izay nagnome gne tegnany ho an'e fahotantsika mba hagnafahagny antsika amin'izao andron'e faharatsiagny izao , araky gne sitrapon'Andriamanitry izy ame Raintsika ,
5
ho an'Azy anie gne voninahitry mandrakizay doria. Amena.
6
Gaga iao raha hoe niala nalaky tamin'e nangaiky anareo tame fahasoavan'i Kristy anareo.Gaga iao fa mitodiky ho ame filazantsara hafa anareo.
7
Tsy midika izany fa misy filazantsara hafa ndre da eo izany , fa misy olo maromaro izay magnakorotagny anareo sady te hagnova gne filazantsaran'i Kristy.
8
Fa ndre iay , ndre gn'anjely avy agny an-dagnitry aza gne hitory Filazantsara hafa aminareo noho izay nitorianay taminareo, da lonoky izy ho voahozogny.
9
Araky gne nozakainay taloha , da amin'izao fotoagny izao iao magnambara indraiky hoe : " Raha misy olo magnambara aminareo Filazantsara hafa noho izay azonareo da lonoky izy ho voahozogny ."
10
Sa, iao amin'izao fotoagny izao mitady gne fagneken'olo sa Andriamanitry ? Sa iao gne mitady izay hampifaly gn'olo ? Raha mbola manohy miezaky gne hampifaly olo iao , da tsy mpanompon'i Kristy .
11
Ô rahalàko , fa tiako Ho fantatrareo , fa gne Filazantsara izay nambarako da tsy filazantsaran'olombelogny.
12
Tsy tamign'olo gne nazahoako an'izany, na nampianarigny anà izany . Kanefa , izany da fagnambaran'i Kristy Jesosy taminà.
13
Fa anareo naharegny gne fiaignako taloha tame fomba fivavahagny Jiosy , izy ame nagnenjehako gne fiangonan'Andriamanitry mihoatry gne tokony ho izy sady gne fiezahako handrava an'izany.
14
Nandroso tame fivavahan'eJiosy iao nihoatry e maro tame nitovy taogny taminà, da e raiky firenegny taminà da akô izany e fomba nitazomako mafy e fomban-drazako .
15
Kanefa Andriamanitry , izay nanokagny anà latan-trokin'iendriko, sady nangaiky anà tame gn'alalan'e fahasoavagny ,
16
refa faly gne hagnaboaky gne Zanany lahy taminà, mba ahafahako magnambara an'Azy agny ame jentilisa , da tsy nisaigny araky gne nofotry izy ame rà iao .
17
Tsy niakatry tagny Jerosalema ho amindreo izay efa lasa apostoly talohako iao . Fa , nandeha tagny Arabia sady avy eo da nimpody tagny damaskosy iao.
18
Da telo taogny tafara taty da niakatry tagny Jerosalema mba hifankafantatry tamin'i Kefasy iao sady nijanogny niaraky tamin'azy nandritry gne dimy ambin'ny folo andro .
19
Fa I Jakoba avao gne hitako tamin'e Apostoly ,da igny rahalàn'i Tompo igny.
20
Da ao ame raha saratako ho anareo, da nagnome toky anareo iao eo egnatrehan'Andriamanitry, fa tsy mavandy iao .
21
Avy teo iao da nandeha tagny ame faritr'i Syria sy Kilikia.
22
Tsy mbola fantatry teo amin'e fiangonan'i Jodia izay ao amin'i Kristy iao.
23
Regnindreo fotsiny gne voazaka hoe : " Igny lelà izay nagnenjiky antsika taloha amin'izao fotoagny izao igny da nagnambara gne finoagny izay niezahany nopotehigny taloha."
24
Noho izany indreo da nidera an'Andriamanitry nohon'e aminà.
Chapter 2
1
Efatry ambin'ny folo taogny taty afara da niakatry ta Jerosalema indraiky iao niaraky tamin'i Barnabasy, da nitondra an'i Titosy niaraky tamina.
2
Niakatry tagny nohon'e fagnambaragny raiky iao da nametraky tamindreo e filazantsara izay toriko ame Jentilisa. Niresaky mitokagny tame noeritreretigny ho manandanja iao, mba azahoagny antoky fa tsy niazakazaky na efa niazakazaky very maigny iao.
3
Fa ndre i Titosy, izay niaraky tamina izay Grika, da nodridrigny hoforagny.
4
Niditry mangingigny io rahalà sandoky io mba hitsikilo e fahafahagny anagnanay ao amin'i Kristy Jesosy. Nagniry e hagnandevo anay indreo,
5
fa tsy nety nagneky an'izany ndre ho fotoagny kidikidy iay, mba hipetrahan'e fahamarinan'e Filazantsara aminareo.
6
Fa e noheverigny ho manan-ndanja(ndre ino ndre ino indreo da tsy mampagnino ana, Andriamanitry da tsy miangatry) _ zakaiko,indreo, izay heverigny ho manan-danja da tsy nagnampy ndre ino ndre ino tamina.
7
Mifanohitry amin'izany, hitandreo fa nagnankinagny e Filazantsara ho ndreo tsy voafora iao, akò e nagnankinan'i Petera e Filazantsara ame voafora.
8
Fa Andriamanitry, izay niasa tao amin'i Petera ho ame maha-apostoly ho an'izay voafora, da niasa tamina tatoa avakoa ho an'e Jentilisa.
9
I Jakoba, Kefasy, da Jaona, izay fantatry fa agnisan'e nagnorigny e Fiangonagny, refa nahalala e fahasoavagny izay omegny ana, da nagnome e tagna ankavanan'e fiombonagny ho anay am'i Barabasy indreo. Nanindreo izany mba ahafahanay mandea ame Jentilisa agny, sady mba ahafahandreo mandea ame voafora.
10
Nangataky fotsiny indreo mba ahatsiarovanay e mahantra, da e raha tiako aniko tokôtry.
11
Fa refa avy tagny Antioka i Kefasy, da nanohitry anazy t'amasony iao satria voazaka fa diso izy.
12
Talohan'e nevisan'io lelà sasany avy lata amin'i Jakoba io, da miaraky misakafo ame Jentilisa eo mintsy i Kefasy. Fa raha avy io lelà maromaro io, da nijanogny izy sady nisitaky lavitry e jentilisa. Nalia e olo nitàky famoragny izy.
13
E sisa tame Jiosy koa moa da niaraky tam'izany fiatsarambelatsihy izany. Ndre i Barnabasy aza da voavily lalagny niaraky tamindreo tame fiatsaram-belatsihindreo.
14
Fa refa hitako fa tsy magnaraky fahamarinan'e filazantsara e fitondran-tegnandreo, da nizaka tamin'i Kefasy
ankatrefandreo iao hoe: "Raha Jiosy anao ka miaigny ako e Jentilisa fa tsy ako e Jiosy, akoignaia e ahafahanao handetry e jentilisa hiaigny ako e Jiosy?"
15
Fa antsika da Jiosy tame alalan'e fahaterahagny fa tsy mpanota jentilisa;
16
fantatsika anefa fa tsy misy olo hamarinin'e asan'e lalàgny fa ame alalan'e finoagny an'i Kristy Jesosy. Antsika avakoa da avy ame finoagny an'i Jesosy Kristy mba ho hamarinigny ame finoagny an'i Kristy fa tsy ame asan'e lalàgny. Fa tsy hisy nofo hohamarinigny ame asan'e lalàgny.
17
Fa raha mitady hohamarinigny ao amin'i Kristy antsika, antsika avakoa, da hita fa mpanota, sa mandrisiky ame fahotagny i Kristy? Avy da diso izany!
18
Fa raha manangagny indraiky e raha efa noravako taloha iao, da magnaporofo e tegnako ho mpandika lalàgny iao zay.
19
Fa tame lalàgny e nahafatesako ame lalàgny, mba ho velogny ho amin'Andriamanitry iao.
20
Nofantsihagny niaraky tamin'i Kristy iao. Tsy iao sanaky e velogny, fa i Kristy e velogny agnatiko atoa. E fianagny iaignako amin'izao fotoagny izao da iaignako ame finoagny e Zanak'Andriamanitry, izay tia anà sady nanolotry e tegnany ho anà.
21
Tsy agniliky e fahasoavan'Andriamanitry iao, fa raha azo ame lalàgny e fahamarinagny, da tsy misy dikany e nahafatesan'i kristy!
Chapter 3
1
E ry Galatiana Mola! Ia gne namosavy anareo? Tamasonareo mitsy gne nagnaboahagny an'i Jesosy Kristy voafantsiky.
2
Iao avao gne raha tiako ianaragny aminareo: Nandray gne Fagnahy tamign'asan'e lalàgny sa tamin'e finoagny izay regninareo anareo?
3
Mola tokôtry me anareo? Niatomboky tamin'e Fagnahy anareo, da hiafaragny amin'e nofo amin'izao?
4
Fa raha tena zava-pôgny tokôtry ary izany, da efa niaritry raha maro tamin'e tsy misy dikany anareo?
5
izy gne magnome gne fagnà anareo sady magnano asa mahagaga aminareo me da magnano izany amign'asan'e lalàgny, sa amin'e fitenomagny amin'e finoagny?
6
Ako i Abrahama "nino an'Andriamanitry sady nisaigny ho fahamarinagny izany,"
7
da akô izany, fantaro, fa indreo izay amin'e finoagny da zanak'i Abrahama.
8
Gne Soratry Masigny, nahita mialoha fa Andriamanitry hagnamarigny indreo Jentilisa amin'e finoagny, da nitory gne filazantsara mialoha tamin'i Abrahama, nizaka hoe: "Avy aminao gne hitahiagny gne firenegny rehetra."
9
Koa, indreo izay amin'e finoagny da voatahy miaraky amin'i Abrahama, izay olon'e finoagny.
10
Indreo izay miankigny amign'asan'e lalagny da ambanin'e ozogny; fa voasoratry hoe: "Voaozogny izay rehetry tsy magneky gne raha rehetra voasoratry agnatin'e bokin'e lalàgny, sady magnano anizany."
11
Amin'izao fotoagny zao da mazava fa tsy misy olo izay hamarinigny agnatrehan'Andrimanitry amign'alalan'e lalàgny, satria gne marina da ho velogny amin'e finoagny.
12
Fa gne lalàgny da tsy araky gne finoagny, f'izy, "Gne olo izay magnano gne asan'e lalàgny da tsy maintsy velogny amin'io."
13
Kristy nagnavotry antsika tamin'e ozon'e lalàgny tamin'e nahatongavany ho ozogny ho antsika___fa voasoratry hoe: "Voaozogny agnaby izay mihantogny amin'e hazo"_
14
mba ho avy amin'e Jentilisa gne fitahian'Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, mba ho amin'e finoagny gne ahazoantsika izay fampagnantenan'e Fanahy.
15
E rahalà, avelay iao hizaka araky gne fanin'olo. Ao amin'e fifagnarahagny ataon'e olo, tsy misy afaky magnafoagny na magnampy izay ao, refa tafapetraky gne lalàgny izany.
16
Sady gne fampagnantenagny da nizakainy tamin'i Abrahama izy amin'e taranakiny. Tsy mizaka izany hoe: "ho an'e taranaky," manondro olo maro, f'izy olo raiky avao," "ho an'e taranakinao," da i Kristy.
17
Da izao gne tiako ho zakaigny: "Gne lalàgny, izay avy telo-polo sy efa-jato taogny tafara taty, da tsy hahafoagny gne fagnekegny izay efa napetrak'Andriamanitry mialoha.
18
Fa raha avy amin'e lalàgny gne lova, da tsy avy amin'e fampagnantenagny koa izany. Fa Andriamanitry nagnome izany an'i Abrahama tamign'alalan'e fampagnantenagny.
19
Ino, zany, gne tanjon'e lalàgny? Nasiagny izany noho gne fandikan-dalàgny, mandra-piavian'e taranak'i Abrahama eo amin'izay nanaovagny gne fampagnantenagny. Gne lalàgny da nanin'e mpagnalalagny raiky ho manan-kery tamign'alalany gnanjely.
20
Gne mpagnalalagny da midika olo mihoatry gne raiky, kanefa Andriamanitra da raiky.
21
Gne lalàgny me gne manohitry gne fampagnantenan'Andriamanitry? Sagnatrian'izany! Fa raha nisy lalàgny nomegny izay afaky magnome fiainagny, da avy tamin'e lalàgny tokôtry gne fahamarinagny.
22
Fa gne Soratry Masigny nagnagadra gne raha agnaby ambanin'e fahotagny. Nagnano izany Andriamanitry mba hagnomezagny ho andreo mino gne fampagnantenagny gne hagnavotagny antsika amign'alalan'e finoagny an'i Jesosy Kristy.
23
Talohan'ny gne nahatongavan'e finoagny, antsika da nitazomigny ho babo tambanin'e lalàgny, nigadraigny mandra-pisehoan'gne finoagny.
24
Avy eo gne lalàgny da lasa mpiambigny antsika nandra-piavian'i Kristy, mba ho voamarigny amin'e finoagny antsika.
25
Fa iao da avy izany finoagny izany, ka tsy eo ambanin'e mpiambigny mitsy antsika.
26
Fa anareo agnaby da zanak'Andriamanitra ao amin'e finoagny an'i Kristy Jesosy.
27
Fa maro aminareo izay nanigny batisa tao amin'i Kristy, gne nandray an'i Kristy.
28
Sady tsy misy mitsy gne Jiosy na Grika, gne andevo na olon'afaky, gne lelà na gne viavy, fa raiky avao anareo ao amin'i Kristy.
29
Ka raha an'i Kristy anareo, da taranak'i Abrahama, sady mpandova araky gne fampanantenagny anareo.
Chapter 4
1
Mizaka iao fa gne mpandova, raha mbola zaza izy, da mitovy ame andevo, ndre topmon'e raha agnaby aza izy.
2
Kanefa izy da eo ambany fahefandreo mpiambigny sy gne mpitahiry raha sarobidy Mandram-pahavin'e daty napetrak'i Abany.
3
Da akô izay avakoa, antsika raha mbola zaza, da nandevozin'e lalàgny fitsipim-pianaragny am'izao tontolo izao.
4
Fa refa avy gne fahafenoan'e fotoagny, da nandefa e zanany Andriamanitry, izay naterak' e viavy, nateraky tambanin'e lalàgny.
5
Nagnano an'izany Izy mba hagnavotagny andreo izay ambanin'e lalàgny, amizay afaky mandray fananganagny ho zanaky antsika.
6
Satria zanaky anareo, da nirahin'Andriamanitry ho ao am-pontsika gne Fagnahin'e Zanany, izay mangaiky hoe : "Aba, Ray."
7
Noho izany tsy andevo esana anao, fa zanaky, sady raha zanaky, da mpandova amign'alalan'Andriamanitry avakoa anao.
8
Fa tamin'io fotoagny io, raha mbola anareo tsy nahalala an'Andriamanitry, da nanigny ho andevondreo izay, amin'e hery voajagnahary, da tsy Andriamanitry velively.
9
Fa Amin'izao anareo da lasa nahalala an'Andriamanitry, na koa hoe lalan'Andriamanitry anareo, da ino gne hiveregnanareo amin'e abidim-pianaragny malemy gne sady tsy misy dikany? Te ho andevozigny indraiky me anareo?
10
Mandiniky gne andro, izy am'gne volagny da gne vanimpotoagny sy gne taogny anareo!
11
Matahotry gn'aminareo aho sao da zava-poagny gn'asako taminareo.
12
Magnano azafady anareo iao, to rahalà magnamboara ako anà, satria iao avakoa da efa lasa akô anareo. Tsy Nagnano ratsy taminà anareo.
13
Kanefa lalanareo fa noho gne aretim-batako e nagnamboarako anareo gne filazantsara tame voalohany.
14
Ndre da ninday anareo tame fakam-pagnà e toe-batako, da tsy nagnano tsinotsino ndre nagniliky anà anareo. Fa noraisinareo ako gne anjelin'Andriamanitry avakoa iao, ako iao magniny i Kristy Jesosy.
15
Noho izany, negnaia gne fahasoavanareo am'izao? Fa mijoro vavolombelogny aminareo iao fa, raha azonareo sady nomenareo anà izany.
16
Ka noho izany, efa lasa fahavalonareo me iao satria mizaka gne marigny aminareo?
17
Indreo da mazoto gne hitaogny anareo, fa tsy ame tsara. Fa te agnidy anareo agny ambadiky indreo, mba hanagnanareo zotom-po ho andreo.
18
Tsara avao e managny zotom-po ame tanjogny tsara, sady tsy refa miaraky aminareo avao iao.
19
Ô zanako, mbola mijaly amin'e fanaitaignan'e fiterahagny ho anareo indraiky iao mandra-piforon'i Kristy ao aminareo.
20
Magniry iao mba ho afaky miaraky aminareo amin'izao fotoagny izao sady agnova gne feoko, satria sahiran-tsaigny noho gne aminareo iao.
21
Zakay aminà , anareo izay magniry ho eo ambanin'e lalàgny, kaiky tsy miteno e lalàgny me anareo?
22
Satria voasoratry fa i Abrahama da nanagnanaky roy lahy, e raiky avy ame andevo viavy da gne raiky avy ame viavy afaky.
23
Fa e raiky nateraky gne andevo viavy araky e nofotry, fa e raiky hafa da nateraky gne viavy tame zaka fampagnatenagny.
24
Da io raha io da azo rasaigny akô gne fagnoharagny, satria io viavy io da magnambara fagnekegny roy. Gne raiky amindreo da avy ame tendrombohitr'i Sinay sady niteraky zaza izay andevo izy. Izy io da i Hagara.
25
Sady i Hagara da magnaboaky gne tendrombohitr'i Sinay agny Arabia; sady magnambara an'i Jerosalema amin'izao fotoagny izao, satria nandevozigny niaraky tame zanany izy.
26
Fa i Jerosalema izay agny ambony da afaky, sady izy gne renintsika.
27
Satria voasoratry hoe: " Mifalia , anao izay momba tsy miteraky. Miantsoantsoa mafy sady magnamboara hiaky fifaliagny, anao izay tsy mijaly ame fanaintainan'e fiterahagny. Satria gne zanakin'e viavy izay nafoy da maro nohon'e viavy manambady."
28
Fa anareo, ro rahalà, akô i Isaka, da zanaky gne fampagnatenagny.
29
Tamin'izany fotoagny izany gn'olo izay teraky araky e nofotry da nagnenjiky izay teraky araky gne Fagnahy. Da akô izany avao gn'amin'izao fotoagny izao.
30
Kanefa ino gne zakain'e soratra masigny? "Alefaso gne andevo viavy izy ame zananany lahy. Fa gne zanaky lahin'e andevo viavy da tsy hizara lova miaraky ame zanaky lahin'e viavy afaky."
31
Noho izany,rô rahalà, tsy zanakin'e andevo viavy itsika, fa zanakin'e viavy afaky.
Chapter 5
1
Ho ame fahafahagny gne nagnafahan'i Kristy antsika. Mioregna tsara, noho izany, ka magneky ho ambany ziogan'e fagnandevozagny koa.
2
Itoa, Iao, Paoly, mizaka aminareo fa raha mazoto ho foragny anareo, da tsy hahasoa anareo ame fomba maro amin'i Kristy.
3
Mijoro vavolombelo ame olo tsiraikiraiky izay mamela gne tegnany ho voafora indraiky iao fa voatery hagnaraky gne lalàgny agnaby izy.
4
Tafasaraky tamin'i Kristy anareo, izay te ho hamarignigny ame lalagny; sady tsy miaigny ame fahasoavagny sanaky anareo.
5
Fa ame alalan'e Fagnahy, ame finoagny gne handraisatsika fatratry gne fagnantegnagny gne fahamarinagny.
6
Amin'i Kristy Jesosy da tsy midika ndre ino ndre ino na voafora na tsy voafora, fa gne finoagny da miasa ame fitiavagny avao.
7
Fa nihazakazaky tsara anareo. Ia gne nisakagny anareo amin'e fankatoavagny gne marina?
8
Izany fandresen-dahatry izany da tsy avy amin'azy nangaiky anareo.
9
Lalivay kidikidy gne ampitombo gne koba agnaby.
10
Fa matoky gne Tompo iao fa tsy handray fomba fijery hafa anareo. Fa gne raiky izay mampikorontagny anareo gne hagnefa sazy, ndre ia izy ndre ia izy.
11
E rahala! raha mbola mitory gne ame famoragny iao, nagnino iao gne mbola enjehigny? amin'izay da ho afaky tokotry fahafitohinan'e hazo fijaliagny.
12
Fa ho andreo izay magnakorontagny anareo, enga anie ka hanapaky e tegnany indreo!
13
Fa nangiagny ho ame fahafahagny anareo, rahalà. nefa ka ampiasaigny ho irikiy amin'e filan'e nofo gne fahafahanareo; f'izy amign'alalan'e fitiavagny da mifanompoa.
14
Fa gne lalàgny agnaby da tanteraky ao ame didy raiky; ao amin'gne: "Tsy maintsy mitia e namanao ako e tegnanao anao."
15
Fa raha mifagnekitry sady mifampihinagny anareo, da mitandrema sao hifandringagny.
16
Fa hoy iao se, mandiana arak'e Fagnahy da tsy hahatanteraky izay filan'e nofo anareo.
17
Fa manohitry gne Fagnahy gne filan'e nofo, da manohitry gne filan'e nofo gne fagnirian'e Fagnahy. Fa mifanohitry indreo, mba tsy hahafahanareo magnano izay raha tianareo.
18
Fa raha tarihin'e Fagnahy anareo da tsy ho ambanin'e lalàgny.
19
Amin'izao fotoagny izao da mibaribary gne asan'e filan'e nofo: fijangajangagny, fahalotoagny, fijejoagny,
20
fanompoan-tsampy, famosaviagny, fankahalagny, fifandiragny, fahasarotam-piaro, fipoahan'e fahavigniragny, fifandrafiagny, fisaraham-bazagny, fizarazaragny,
21
fialognagny, fahamamoagny, fagnakorontagnangny, da raha mitovy amin'izany.
Mampitandrigny anareo iao, ako efa nampitandremiko anareo taloha, fa tsy handova gne fanjakan'Andriamanitry indreo izay mampihatra io raha io.
22
Fa gne vokatr'e Fagnahy da fitiavagny, fifaliagny, iadagnagny, faharetagny, hatsaram-pagnahy, fanaovan-tsoa, finoagny,
23
fahalemem-pagnahy, da fahafehezan-tegna; tsy misy lalagny manohitry raha mitovy amin'izany.
24
Indreo izay an'i Kristy Jesosy da efa nanombo gne toetry feno fahotagny niaraky tame fahafinaretagny izy ame filàgny.
25
Raha miagny ame Fagnahy antsika aleo handeha ame fagnahy agnaby.
26
Aoka isika tsy ho lasa mpieboebo, mifandrangitry, ary mifampialogny.
Chapter 6
1
Ô rahalà, raha misy olo azon'e ota, anareo izay ara-pagnahy gne tokony hangnapody an'izany indraiky ame fahamoram-pagnahy. Miheritrereta e tegnanao, mba tsy ho halaim-pagnahy koa anao.
2
Mifampindesa gne mavesatry, sady amin'izany da amboaro gne lalàgnin'i Kristy.
3
Fa raha misy olo mihevitry gne tegnany ho raha kanefa tsisy dikany, da mamitaky gne tegnany izy.
4
Tokony handiniky gne asany agnaby gne tsiraidraiky, mba ho ame tegnany avao gne antony hireharehany fa tsy ame olo-kafa.
5
Fa samy hiday gn'entany agnaby gne olo tsiraidraiky.
6
Gn'olo izay nampianarigny gne zaka da tsy maintsy mizara gne raha tsara anagnany am'izay mampianatry.
7
Ka mety ho fitahiagny. Tsy azo sangisangiagny Andriamanitry, fa gne raha agnaby ambolen'olo, gne ho ho hilainy avakoa. Hoan'i gne mamboly voa ame toetriny feno fahotagny, da avy amin'izany no hihilany fahasimbagny.
8
Izay mamboly voa ame Fagnahy, amin'e Fagnahy no hihilany e fiainagny mandrakizay.
9
Ao itsika mba tsy ho reraky amin'e fagnamboaragny e tsara, fa hihila e vokatry itsika ame fotoagny mety, raha tsy milavo lefogny itsika.
10
Ka noho izany, satria managny fahafahagny isika, da magnamboara gne tsara ame olo aby atsika, indrindra fa amin'e fianakavian'e finoagny.
11
Iteo gne hazakaben'e soratry izay nosoratan'e tagnako ho anareo.
12
Indreo te hiseo ho tsara ame nofo e miezaky manery anareo mba hoforaigny. Mambotry izany indreo mba hialany ame fagnenjehagny nohon'e gn'amin'e hazofijalian'i Kristy.
13
Ndre da indreo tsy voafora aza da tsy mitandrigny gne lalàgny, nefa tian-dreo hoforaigny anareo mba hireharehandreo ame nofonareo.
14
Nefa tsy hirehareha ndre ovia ndre ovia afa-tsy gn'amin' e hazofijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika anie iao, izay nanombohagny an'izao tontolo izao taminà, fa iao teo amizao tontolo izao.
15
Fa gne famoragny na gne tsy famoragny da samby tsy misy dikany.
16
Ho andreo aby izay miaigny arak'izany fomba izany, da ho amindreo anie gne fiadanagny izy ame famindram-po, na ame Israelin'Andriamanitry.
17
Manomboky am'izao da aoka tsy hisy hagnabarabara anà, fa mitondra gne marik'i Jesosy ame vatako iao.
18
Ho ame fagnahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompotsika, rô rahalà. Amena.
James
Chapter 1
1
Jakoba , mpanompon'Andriamanitry sy Tompo Jesosy Kristy ,hoan'ireo foko roa ambin'ny folo niparitaky,akory aby.
2
Ô rahalà , amboary ho fifaliagny agnaby izany refa mandalo olagny samby hafa anareo .
3
Lalanareo fa gne fitsapagny gne finoanareo da miteraky faharetagny.
4
Apetrao gne faharetagny hahatanteraky gn'asany , mba tena hivoatry sy ho feno tanteraky anareo mba tsy ho sahiragny ndre ame ino ndre ame ino.
5
Fa raha misy aminareo mila fahendregny , avelao izy hangataky an'izany amin'Andriamanitry. Gne raiky zay magnome antsitra-po sady tsy mandatsa izay mangataky amin'Azy agnaby, da omeny an'azy izany .
6
Fa apetray izy hangataky ame finoagny, tsy misalasala ame ino ndre ame ino. fa izay misalasala da akô gne onjan-dranomasigny izay entin'e rivotry da mitopatopaky.
7
Fa izany olo izany da tsy tokony hieritreritry gne handray ndre ino ndre ino avy amin'e Tompo .
8
Gn'olo akô izany da misalasala miovaova ame lalagny agnaby.
9
Aoka gne rahalà sahiragny hagnano gne fisandratany ho reharehany,
10
fa gn'olo mana-karegny ame fietreny , satria izy da hidaraboky akô gne vonikazo-dì egny ame ahitry.
11
Fa gne masoandro da miposaky ame hafanagny mahamay da magnamaigny gne ahitry .Gne vonikazo da mihintsagny, sady gne hatsarany da ho levogny . Akô izany koa, gn'olo mana-karegny da halazo egny antegnategnan-dalagny.
12
Sambatry gn'olo Izay mahadigny fitsapagny. Satria refa avy nandalo fitsapagny Izy, da hahazo gne satro-boninahitry gne fiainagny , izay nampagnategnaigny tamindreo izay tia an'Andriamanitry.
13
Refa misy halaim-pagnahy da aoky izy tsy hizaka hoe :"Andriamanitry gne nangala fagnahy anà," satria Andriamanitry tsy azon'e ratsy halaigny fagnahy, sady tsy mangala fagnahy ndre ia ndre ia.
14
Fa samby halaim-pagnahy ame fagniririany manokagny gn'olo tsiraidraiky, izay mampihemotry sy maharesy an'azy .
15
Refa avy naverimberigny gne fagniriagny da miteraky fahotagny izany. Sady refa mitombo be gn'ota da miteraky fahafatesagny.
16
Ka magneky ho voafitaky ,ô rahalà namako.
17
Gne fagnomezagny tsara agnaby izy ame fagnomezagny tongalafatry agnaby da avy agny ambony. Avy ame Rain'e fahazavagny gne hidignan'izany.miaraka amin'Azy da tsisy fiovagny ndre aloky nohon'e fiodinagny.
18
Andriamanitry da nisafidy gne hagnome fahaterahagny antsika amigne zakan'e fahamarinagny, mba ho karazagny voaloham-bokatry gne noforognony agnaby itsika .
19
Lalanareo izany ry rahalà namako: Aoky gn'olo agnaby hazoto hiteno , tsy halaky hizaka sady tsy halaky ho vignitry.
20
Fa gne havigniran'olo da tsy ahavitagny gne fahamarignan'Andriamanitry.
21
Ka diovy agnaby gne fahalotoagny izy ame faharatsiagny agnaby. Amim-panetre-tegna da raiso gne zaka efa napetraky , izay afaky mamonjy gne fagnahinareo .
22
Magnaraha zaka anareo, fa k'aza mpiteno fotsiny avao, fa ka mamitaky gne tegnanareo avao anareo.
23
Fa raha misy mpiteno gne zaka nefa tsy mpagnaraky, da akô gn'olo mandiniky gne tarehiny ame fitaratry izy.
24
Mandiniky gne vatany izy da refa miala teo izy da hadignony gne mahakasiky gne vatany.
25
Fa gn'olo mandinika tsara gne lalàgnin'e fahafagny Tonga lafatry, sady mitohy magnano an'izany, fa tsy hoe mpiteno magnadigno fotsiny , da ho tahiagny ame gn'asany agnaby izany olo izany.
26
Raha misy magnano gne tegnany ho mpivavaky, nefa tsy mahafehy gne vavany, da mamitaky gne fony izy, sady tsisy dikany gne fivavahany .
27
Gne fivavahagny madio sy tsisy petigny amin'Andriamanitsika sy gne Raintsika da akô izao: hagnampy gne kamboty, da gne mpivantotry ame fahoriandreo, ary miaro tegna mba tsy hisy pentigny avy amin'izao tontolo izao.
Chapter 2
1
O Rahalà, ka mitagny gne finoagny an'e Tompontsika Jesosy Kristy, Ilay Tompon'e voninahitry, amin'e fiagaragny ame ologny sasany.
2
Ataovy hoe misy ologny miditry ao amign'e fivorianareo magnano peratry volamena sy akanjo tsara,ary misy lelà sahiragny avakoa miditry magnano akanjo maloto.
3
Raha magnety gne olo misikigny akanjo tsara anao sady mizaka hoe: "Azafady midoboa eto ame toeragny tsara etoa," fa hizaka ame lelà sahiragny kosa hoe:" mitsangana iano ery," na hoe: "Midoboa etoa ame tomboko,"
4
Akory sa, tsy efa lasa mifampitsara anareo samby anareo amin'izany? Tsy efa lasa mpitsara ratsy eritreritry mein anareo amin'izany?
5
ô rahalà namako,mitenoma, tsy efa nofidin'Andriamanitry mein gne sahiragny ami'zao tontolo izao mba hanakaragny ame finoagny sy mba ho mpadova gne fanjakagny izay nampagnantenaigny andreo izay tia an'Azy?
6
Fa anareo da mangala baraky gne sahiragny! sa tsy gne mpanakaregny gne manahiragny anareo? Sa tsy indreo mein gne mahatariky anareo ho eo ame fitsaragny?
7
Moa tsy indreo mein gne nagnaratsy gne agnaragny tsara ze anareo?
8
Ndre da izany, raha magnatanteraky gne lalàn'e mpanjaka anareo, araky gne Soratry Masina hoe: "Tiava gne namanao akô gn'ainao," da magnamboara gne tsara anareo.
9
Fa raha magnome sitraky gne olo sasany kosa anareo, da manota, ka voaheloky akô gne mpandika lalàgny.
10
Ndre ia ndre ia magneky gne lalàgny agnaby, ka lavo ame lalàgny raiky fotsiny da ho diso ame lalàgny agnaby.
11
Fa gne olo nizaka hoe: "Ka mijangajanga," da nizaka avakoa hoe: "Ka mamono olo." Raha tsy mijangajanga ianareo, kanefa mamono olo, da lasa mpandika lalàgny.
12
Noho izany mizakà sy magnamboara mitovy aminareo ze ho tsaraigny ame lalgn'e fahafahagny.
13
Fa gne fitsaragny da avy tsy misy famindram-po amin'ireo izay tsy magnabôky famindram-po. Sady gne famndram-po da mandresy gne fitsaragny.
14
ô rahalàko, ino gne mahatsara an'izany sa raha mizaka gne olo raiky fa manam-pinoagny izy,kanefa tsy misy asa? afaky mamonjy azy ve izany finoagny izany?
15
Ataovy hoe misy rahalà sy anakavy ratsy fitafy sy tsy ampy sakafo isan'andro.
16
Da eritrereto koa hoe gne raiky aminareo mizaka amindreo hoe: "Mandehana ampilaminagny, da magnamboara voky sy mafana." Raha tsy magnome andreo gne raha ilan'gne tegnany anareo, ino gne mahatsara izany sa?
17
D'akoizany koa gne finoagny, raha tsy misy asa izany, da maty.
18
Nefa mety misy olo mizaka hoe: "Manam-pinoagny anao, ary izaho manan'asa." Aboahy anah gne finoanao tsy misy asa, da haboako anao koa gne finoako ame alalan'e asako.
19
Anao da mino fa raiky avao Andriamanitry; tsara izany amboarinao izany. Fa ndre gne devoly aza da magneky an'izany, sady da mangitakitaky agnaby indreo.
20
Tianareo ho lala mein, ry lelà mola, fa gne finoagny tsy misy asa da tsy misy ilàgny an'azy? [Fanamarihagny: Gne dikan-teny sasany taloha da mamaky hoe: "Tianareo ho lala mein, ry lelà mola, hoe nagnino maty gne finoagny tsisy asa?"]
21
Tsy tame asa avakoa me gne nagnamarinagny an'i Abrahama abantsika refa nanolotry an'Isaka zanany lelà tame alitara izy?
22
Hitanao fa gne finoagny da niasa niaraky tame asany, ary ame asa da nivoatry tanteraky gne finoany.
23
Da tanteraky gne soratry Masina izay mizaka hoe: "Abrahama nino an'Andriamanitry, ka nisaigny tamin'azy ho fahamarinagny izany," sady izy nangiagny hoe zanak'Andriamanitry.
24
Hitanareo zao fa ame asa gne hanamarinagny gne olo, fa tsy ame finoagny fotsiny avao.
25
Akoizany avakoa, Rahaba tsy misy mpivaro-tegna tsy nohamarinigny tame asa avakoa mein izy, refa nandray e iraky sy nandefa andreo tame lalan-kafa?
26
Fa maty gne tegna raha misaraka ame fagnahy, dakoizany avakoa, gne finoagny tsy misy asa da maty.
Chapter 3
1
Tsy gn'olo maro gne tokony ho lasa mpampianatry, rô rahalà. Fantantsika fa ahazo fitsaragny mafy tokôtry itsika.
2
Fa itsika aby io da tafitoigny ame fomba maro. Raha misy tsy tafitoigny ame zaka, da lelà matotry tanteraky izy, afaky mifehy ndre da gne tegnany iray manontolo aza.
3
Da raha asiantsika lamboridy ame vavan'e soavaly mba hankatoavan-dreo antsika, da afaky mitondra gne vatandreo raiky manontolo avakoa itsika.
4
Iteo avakoa fa gne sambo, ndre da zakabe tokôtry idreo da indesin'e rivotry mahery, da voavilin'e familiagny tena kidy amin'izay rehetry tian'e mpamory.
5
Akò izany avakoa gne lela da rantsagny kidy ame vatagny, kanefa izy da mirehareha raha maro be. Iteo avakoa gne hakidin'e afo izay mandoro ala be.
6
Gne lela avakoa da afo, tontolon' e fahotagny napetraky tamin'e rantsam-batantsika. Izany da magnisy pentimpentigny gne vatagny raiky manontolo da mandoro gne lalam-piainagny. Arehitrin'e helo gne tegnany.
7
Fa gne karazam-bibidia agnaby, vorogny, biby mandady, ary zava-boaharin-dranomasigny da folaky ary nofolahin'e olombelo.
8
Fa momba gne lela, tsy misy olo mahavita mamolaky izany. Io da ratsy tsy mety fehezigny, feno poizigny mahafaty.
10
Amin'io gne hiderantsika gne Tompo izy ame Ray, da amin'io gne hagnozognatsika olo, izay natao nitovy tamin'Andriamanitry.
9
Avy amin'izany vava izany avao gne ivoahany e fitahigny sy gne fagnozognagny. E rahalà, tsy tokony hiboaky izany raha aby izany.
11
Sa gne loharano me mamoaky rano mamy sy mangidy avy ame fiboahany?
12
Gne kakazon' e aviavy me, rahalàhiko, mamoa oliva? Na gne voaloboky, mamoa aviavy? Gne rano masira avakoa da tsy afaky agnome rano mamy.
13
Ia gne hendry sy mahalala agn'ivonareo? Apetray izany olo izany hampiseho fiainagny tsara ame gn'asany amin''e fanetren-tegnan'e fahendregny.
14
Fa raha managny fialognagny mangidy anareo sady fagnirian-daza agnatin'e fonareo, da ka mirehareha na mivandy manohitry gne marigny.
15
Izany da tsy fahendregny nidigny avy ambony. F'izy, avy ame tany, gne tsy ara-pagnahy, gne demoniaka izany.
16
Fa agny amin'izay misy fialognany sy fagnirian-daza, da misy fifanjevoagny sy fagnamboaragny gne ratsy aby io.
17
Fa gne fahendregny avy ambony da madio aloha, avy eo da feno fiadanagny, malemy fagnahy, mihevitry gne hafa, feno famindram-po sady vokatry tsara, tsy malemy, sady tsotry.
18
Gne vokatrin' e fahamarinagny da voafafy ampiadanagny eo antegnategnan'izay mampiavagny.
Chapter 4
1
Avy taia gne niantombohan'ny gne ady izy ame fifandiragny eo aminareo? Kaiky tsy avy ame raha nirianareo izay miady ame mpikambagny eo agn'ivonareo?
2
Magniry anareo, nefa tsy managny. Mamono sady magniry mafy anareo, nefa tsy afaky ahazo. Miady sady mifanditry anareo. Tsy managny anareo satria tsy mangataky.
3
Mangataky anareo nefa tsy mahazo satria ratsy fangatahagny mba ahafahanareo mampiasa anizany ho ame fagnirianareo.
4
Anareo rô mpijangajanga! Tsy lalanareo me fa gne fisakezagny am'izao tontolo izao da fandrafiagny manohitry an'Andriamanitry? Ka ndre ia ndre ia te-ho sakaizan'izao tontolo izao da magnano e tegnany ho fahavalon'Andriamanitry.
5
Sa anareo mieritreritry fa gne Soratry Masigny da mizaka zava-poagny hoe: "Gne Fagnahy izay naniny niaigny tagnatin-tsika da saro-piaro lotry"?
6
Fa Andriamanitry magnome fahasoavagny zakabe kokoa, noho izany da hoy gne soratry masigny hoe: "Andriamanitry manohitry gne mpirehareha, fa magnome fahasoavagny gne mpagnetry tegna"
7
ka magnekea an'Andriamanitry. Tohero gne devoly, da hilefa anareo izy.
8
Magnakekeza an'Andriamanitry, da hagnakeky anareo Izy. Diovy gne tagnanareo, ry mpanonta, sady diovy gne fonareo, ry mpiroy saigny.
9
Malahelova, misaognà, sady mitomagnia! Ao gne fimehezanareo hanjary fitomagniagny, da gne fifalianareo ho fanjetohagny.
10
Manetrea tegna ankatrefan'e Tompo, da hanandratry anareo Izy.
11
Ka mifagnaratsy anareo, rô rahalà. Gne olo magnaratsy gne rahalahiny na mitsara gne rahalahiny da manohitry gne lalàgny sady mitsara gne lalàgny. Raha mitsara gne lalàgny anareo, da tsy magneky gne lalàgny, fa mpitsara.
12
Raiky avao gne magnome lalàgna sady mitsara. Izy avao gn'afaky mamonjy sy mandringagny. Ia me anao, izay mitsara gne namanao?
13
Ka mitenoma, anareo mizaka hoe: "Androany na omaray hiditry am'ity tanàgny ity itsika, hijanogny herintaogny agny, hagnano varotry, sady hangala tombony."
14
Ia me gne mahafantatry izay hitranga omaray, da ino gne fiaignanareo? Fa zavogny mipoitry tselatsela anareo da aveo da levogny.
15
F'izy, hizaka anareo hoe: "Raha sitrak'e Tompo, da ho velogny itsika sady hambotry an'itoa na iroa."
16
Fa amin'izao fotoagny izao anareo da mirehareha ame tetiky mihebohebo. Gne fireharehagny aby akô izany da ratsy.
17
Ka hoan-dreo aby mahafantatry magnano e tsara nefa tsy magnano an'izany, da heloky ho anazy izany.
Chapter 5
1
Avia, anareo izay manan-karegny, mitomagnia sady mibabababà noho gne fahoriagny avy aminareo.
2
Gne haregninareo efa lo, da gne fisikinanareo efa lanin'e kalalao.
3
Gne volamenanareo izy ame volafotsinareo da efa harefesigny. Gne harefesigny da ho vavolombelogny hiobiragny anareo. Hagnoro gne nofonareo ako gn'afo izany. Notehirizinareo gne harenareo ho amign'andro farany.
4
Ity, gne karamandreo mpiasa da mitaraigny gne karama izay nitazominareo tsy ho andreo zay nampamokatry gne sahanareo, sady gne fitaraignandreo mpihila da efa avy ame sofin'e Tompon'e maro.
5
Niaigny tamin'e haregny teto an-tany anareo da nagnara-po tamin'e tegnanareo. Natevezinareo gne fonareo ho an'e andro famonoagny.
6
Nagnameloky sady namono gne olo-marigny anareo. Tsy nanohitry anareo izy.
7
O rahalà, da mahareta, mandara-piavian'e Tompo. Io, gne mpamboly mandigny gne vokatry sarobidy avy amin'e tany. Mandigny amim-paharetagny anizany Izy, mandra-pahazaogny anizany gne voaloha izy ame faran'erikandro.
8
Anareo, avakoa, madignasa. Hatanjay gne fonareo, satria efa akaiky gne fiavian'e Tompo.
9
O rahalà, ka mifampitaraigny, mba tsy ho tsaraigny anareo. Io, gne mpitsara mitsangagny am-barangara.
10
Mangalà tahaky, rahalà, avy amin'e fijaliagny izy ame faharetanareo, indreo izay nizaka tamin'e agnaran'e Tompo.
11
Anintsika akô sambatry indreo izay efa niharitry io. Efa regninareo gne fitaraignan'i Joba, da lalanareo gne tanjognin'e Tompo, gne maha-feno fangoragny izy ame famindram-po Anazy.
12
Fa amboniny agnaby, rahalàko, ka mitangegny, na amin'e lanitry na amin'e tany, na amin'e fiainagny hafa. Kanefa, aoka gne zakanareo hoe: "EkA" ho "EKA" da gne "TSIA" ho "TSIA," mba tsy hiditry amin'e fitsaragny anareo.
13
Misy olo mijaly miady amin gn'ady sarotry me gn'aminareo? Aoka Izy hivavaky. Misy olo faly me? Aoka Izy hihira fideragny.
14
Misy marary me gnaminareo ao? Aoka Izy hangeky gne loholon'e fiangonagny, sady aoka indreo hivavaky ho anazy. Aoka indreo hagnosotry menaky anazy amign'agnaran'e Tompo.
15
Gne fivavaky gne finoagny gnagnasitragny gn'olo marary, ary gne Tompo hanangagny Anazy. Raha nanota Izy, da hamela anazy Andriamanitry.
16
Mifagnekea heloky anareo, da mifampivavaha, mba ho sitragny anareo. Gne vavaky ataon'olo-marigny da tena matanjaky amin'e fiasany.
17
Elia da lelà nitovy tamintsika avakoa. Nivavaky mafy Izy mba tsy hilatsahan'e ranon'erikandro, sady tsy nilatsaky tamin'e tany nandritry e telo taogny sy enim-bolagny izany.
18
Avy eo nivavaky indraiky Elia. Gne lagnitry da nagnome ranon'erikandro, da gne tany namoa gne vokatriny.
19
Rahalàko, raha misy aminareo miala amin'e fahamarinagny, sady misy raiky mampiverigny anazy,
20
da tokony ho lalan'io olo io fa ndre ia ndre ia Mangalà gne mpanota raiky amin'e lalan-diso da hamonjy anazy amin'e fahafatesagny, sady handrakotry fahotagny maro be.